text
stringlengths
10
11k
Inona avy re no hamidy ? Mba hihavanana sy hiraisana amin’andriamanitra raha te hihavana e amin’ andriamanitra tandremo tsara ny didy folo fa izany ihany no ifampiraisana sy ihavanana amin’i zezo kirisity sy ny fahamasinana
Manana ny fomba fiantsoana ny zazavavy ny mponina, ka toy izao izany, araka ny dingana lalovany eo amin’ny fiainana menamena iantsoana ny zaza vao menavava ; songarin-jaza songarina botabota, mahafatifaty. Iantsoana ny zaza hatreo amin’ny fahefaboalany, atoraka ivoho ny ao an-damosina no ivoho mibaby no hevitry ny hoe atoraka ivoho baben’ny reniny ao an-damosina foana ny zaza amin’izay toerana rehetra alehany sy ny raharaha ataony mety hitondra faharerahana ho an’ny reny sy ny zaza izany ka miteraka tsy fahasalamana satria na mvezivezy atsy sy eroa ny reniny, mikarakara tokantrano, mitoto vary, miantsena, miloloha enta-mavesatra 34 dia mijanona fotoana maharitra ao am-bohony ny zanany. Ny raim- pianakaviana kosa tsy mandray anjara amin’izany fibabena zaza izany. Mibaby ihany izy indraindray fa karazana fialamboly no anaovany izany anakotene fitambaran’ny teny roa anaka -otene manova ny i amin’ny teny ofisialy ho lasa e ny teny betsileo idraindray. Matetika dia ny i farany amin’ny teny no lasa e
Centre social arrupe
Ny tena izintsika
Lagarde et michard 1969
Eo amin’ny lafiny fitiavana
Raha ampifanandrifiana amin’ny fanofanana ao amin’ny ltpa ny paikady enti- mampianatra nampiasaina dia hita fa tsy mifanentana. Raha ny tokony ho izy dia mila fomba fampitam-pahalalana mifanaraka amin’ny filany amin’ny fanofanana azy ireo mpianatra. Ohatra, ny mpianatra ao amin’ny lalam-piofanana varotra dia ho olona afaka miasa avy hatrany rehefa vita ny fianarany. Any amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony ihany koa dia fikarohana no atao. Raha zatra tolorana hatrany anefa izy ireo dia tsy hanana izany tsanganana andrasana aminy izany, satria tsy hanana finiavana hikaroka na avy hatrany dia ho tomponandraikitra amin’izay hataony eo amin’ny asa sy ny fiainany mihitsy. Ankoatra izany, mifandray amin’ny fahaizan’ny mpianatra miserasera ny fanomezana anjara fitenenana azy -na tsia ao an-dakilasy. Miainga amin’ny zava-misy iainany ao ihany koa mantsy ny mety ho toetrany any amin’ny sehatry ny asa. Ny fampiasana ny fampianarana tolotra anefa manakana ny fandraisan’ny mpianatra anjara ao an-dakilasy satria ny mpampianatra no tena mahazo sehatra amin’izany. Ny olana aterak’io dia sarotra ny ahazoana mamantatra ny haabon’ny fahalalan’ny mpianatra, indrindra eo amin’ny fahafehezany ny am-bava, satria tsy dia misy sehatra handraisan’izy ireo anjara. Hita ho niteraka olana teo aminay izany tamin’ny fampianarana nataonay. Efa zatra tsy ampandraisina anjara mantsy izy ireo ka zary sarotra taminay ny nampanao izany. Lasa vitsy dia vitsy no sahy miteny. Tamin’ny fanitsiana ny fampiharana, ohatra, dia -2 ao anatin’ny mpianatra 63 no mandray anjara; izy ireo aza tsy tena nandeha tamin’ny nahim-pony fa somary noterena ihany. 2.3.3.2. Eo amin’ny fitaovana enti-mampita ny fahalalana eo amin’ny fitaovana kosa indray, hita ho miteraka olana ny tsy fahampian’izany eny anivon’ny sekoly. Ny fitaovana ampiasaina amin’ny fampitam- pahalalana mantsy dia anisan’ny mampivaingana ny fampianarana izay atao. Hita ary fa tsy ampy ny fitaovana enti-mampita ny fampianarana any amin’ny lisea tekinika. Ny mpianatra anefa mila fitaovana mivaingana ahafahany manetsika ny fahalalany, ary ny fisian’ireny no manamora ny fandraisany izany fahalalana izany. Anisan’izany ny fomba fifandraisana ao an-dakilasy, ny fihetsika aseho enti-mampita ny fahalalana, ny fahaiza-mifantina ny teny sy ny lahatsoratra ampiasaina. Ny tsy fahampian’ireny dia miteraka tsy fahalianana eo amin’ny mpianatra. Mampihena ny faharisihany amin’ilay taranja. Ny hita mantsy dia tsy misy fitrandrahana ny zavatra
Ny lafiny jeôgrafika
Volivoly mamolovoly
Mozika acte 12 soameva, liza ao an-trano liza fa misy inona no mikoropaka toy io indry? Soameva misaotra akia nanoro hevitra! Liza haiiiy! Noheveriko ity fa dia hilaza inona ity in-dry! Nanao ahoana aloha e? Soameva mihoatra lavitra tamin ny nolazain-dry akia ny soa azoko any isaky ny mivory zahay vehivavy a! Liza ha? ! Nahita fotoana hivoriana any isan-kerinandro indray angaha in-dry? Soameva indry ve ahoana e? Tsy andriko ery aza ny hahaherinandro ny andro ko! Liza miara-mihomehy zany moa izy io? Dia inona ihany no nampianarina an-dry tany? Soameva fiompiana akoho manatody lava akia. Izahay rahateo efa miompiompy kely reo , fa hatsaraina fotsiny hono. Liza tsara kosa izany ko! Soameva fa ilay fampahafantarana anay vehivavy ny zonay akia no tena nampidanaka ahy tany a! Liza fa ahoana akia? Soameva tena marina ny nolazain-dry fa fanitsakitsahana ny zoko kay iny nataon i bazy ahy indray alina iny liza ilay tamin-dry notereny hanao firaisana ara-nofo taminy ve izany e? Soameva ie! Tamin iny manko ilay izaho avy novonoiny no antony tsy nampazoto ahy! Ny foko ve akia mbola tsy mazava aminy akory, tsy nisy antsasakadiny taorian ny namonoany ahy ve akia dia asainy hanao firaisana aminy aho! Ko raha tsy inona izy ity ko! Liza hitan-dry amin izay ary fa marina ange ny noteneniko tamin iny hoe naolan ny vadin- dry in-dry e! Soameva tena izay mihitsy hono no iantsoana azy fa ireto vehivavy namanay ao kay hoy in-dry , saika iharan izany daholo fa tsy misy sahy miteny; liza marina hoe akia! Dia inona izany no hataonareo manomboka izao? Soameva tsy hanaiky lembenana intsony akia zahay fa efa fantatray ny zonay a! Hitan-dry koa izy io tsy manome vola ahy io, hay azoko toriana amin izany koa izy! Liza k inona no andrasan-dry fa tonga dia ampiakaro akia! Soameva andraso aloha ampahafantariko azy fa efa fantatro daholo ankehitriny ny zoko , ka tokony hajanony avokoa izay fihetsiny rehetra manitsakitsaka izany! Liza eny e! Marina koa aloha izay e!
Madagasikara, todiho ny lasa, banjino ny ho avy, 50 taonafahaleovan-tena 1960- 2010 , tpflm, 103 tak.
Ratsimaholy f. 2004
Amélioration des conditions de vie et de revenu
Disposition et après ils savent que ces droits incitent des devoirs envers eux-mêmes, leurs époux, leurs enfants et à la société. Pendant notre séjour dans le centre, nous constatons que le travail de réinsertion n’est pas facile, cela demande du temps et de la patience envers les responsables mêmes et les bénéficiaires. Ainsi, nous savons que les familles en grandes difficultés venant des rues n’ont pas les mêmes vies que la plupart de gens, elles ne sont pas habituées à notre routine car pour elles, dans une journée, c’est la survie qui compte. Donc, c’est très difficile pour elles de s’adapter à des nouvelles vies. Par notre initiative, en tant qu’éducateur, nous avons apporté notre contribution pour résoudre les problèmes non résolues, donc nous suggérons aux centres de pratiquer ces perspectives d’avenir, celles ci partent de l’implication de la communauté en passant par le renforcement des compétences et capacités des acteurs durant l’exécution des activités de réinsertion sociale cela les amène à rehausser leurs efforts et élever leur niveau de vie. Notre activité est l’action sociale que nous avons accomplie avec toute la conscience voulue et la compétence affirmées par le pape jean xxiii le travail doit être conçu, vécu, comme une vocation, comme une mission, comme une réponse à l’appel de dieu nous invitant à prendre part à la réalisation de son plan providentiel dans l’histoire comme un engagement à s’élever soi-même avec les autres, comme une contribution à la civilisation humaine 23. L’éducateur joue un grand rôle quant à l’autonomie des bénéficiaires en les aidant psychologiquement, intellectuellement et moralement parce que le développement dépend de l’entraide entre l’éducateur et la population cible et ses environs. Le rôle de l’éducateur est de favoriser le mouvement, progrès prévenant l’évolution sociale. Elle aide chaque individu à devenir volontairement un membre utile et accepté dans le groupe. En tant qu’éducateur, nous pensons qu’il serait bien de prendre plus de temps pour effectuer l’étude des besoins de la population et pour la réalisation des activités menées dans ce but car l’action sociale se base sur la collaboration mutuelle, une clé de réussite pour le développement et l’épanouissement de chaque participant. Quand nous, les travailleurs sociaux travaillent, nous ne devrons pas penser à nos vrais intérêts, mais nous devrons penser d’abord à nos bénéficiaires qui ont besoin de nous,
Toko fahatelo ny fizotry ny malo amin’ny maha riba azy
Adiresy lot va 1bis tsiadana
Hevitra no ampiadiana mandritra ny fivoriana. Ny tanjona tsy maintsy mandresy hatrany. Ny fiafaran’ny malo anefa misy resy. Toe-javatra mahalana misy, izany hoe samy afaka madiodio ny mpifanandrina. Izay ilay antsoina hoe ady sahala. Matetika ny voatory no resy amin’ny malo. Misy fandrangitana ny mpanatrika amin’ny lahateny mivoaka eo amin’ny mpandray anjara mivantana. Kapohina mafy amin’ny zavatra tsy zakany mba hidona any am-parahatoka any ny teny atao. Manao ohatra ny mpiteny ary manontany izy raha toa ka misy manaiky na tsia. Nahomby ny famoahan-keviny raha tsia ny valiny. Voatery ny andaniny manohitra na mitady hevi-baovao hamelezana ny mpifanandrina aminy. Amin’ny fitsapana fanahy no andrangitany ny mpanatrika na ny mpifanandrina. D fandoarana ny ao am-pon’ny mpihaino
Tsy afa-nanohy ny fianarany i miaro ka voatery niasa. Tsy nokoboniny ho azy irery ny fahasoavana azony fa nentiny nanampiana ny hafa. Tsy niakatra araka ny niriany ny zotram-piainany noho ny fisian’ny nenintoany izay nikasa ny handroaka azy. Ny fanambadiana no tsy maintsy tanterahina mba hananany fiainana manokana. Tsy mbola nieritreritra ny momba izany anefa izy teo. Nampisondrotra ny zotram-piainany ny fahitana an’i felana. Toa tsapany fa izy no ho ravaky ny tokantranony ka nikasa ny hanatanteraka ny raharaha.
Anjara toerany ao amin’ny tantara vehivavy tafara-dia tamin-dry robena teny ambony botry, nifandray taminy tao besalampy, ilay namana hany afaka nanolo- tanana an-robena rehefa avy any am-ponja izy
Tsapa, araka izany fa ny fiheverana diso eo amin’ny mpampianatra, momba ny mpianatra, dia antony iray mitarika ny tsy fahombiazana eo amin’ny fampianarana. Tsy izany ihany anefa fa mbola eo ihany koa ny tsy fisian’ny fiofanana. Hojerena manaraka ny momba izany.
Ny zava-kendrena amin’ity asa fikarohana ity, dia ny mba hitondra fampahafantarana momba ny fampianarana ny taranja malagasy eny anivon’ny sekoly tekinika. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fampahafantarana anefa, fa nezahina koa ny nitondra vahaolana sy tolo-kevitra manoloana ireo olana samihafa hita izany no natao, dia ny mba hitondrana fanatsarana sy fanavaozana ny fampianarana ny taranja malagasy eny amin’ireo sekoly tekinika.
Clarisse ratsifandrihamanana, op. Cit. , boky ii, tak 47, 48 226 clarisse ratsifandrihamanana, op. , boky i, tak 144 227 clarisse ratsifandrihamanana, op. , boky i, tak 32 228 clarisse ratsifandrihamanana, op. , boky i, tak 115
Manana anjara toerana eo amin’ny sehatry ny literatiora ny mpamaky. Ny mpamaky no ampitana ny hafatra. Izy ireo no atao hanovo ny kanto, ny fahaizana sy ny fahalalana, ary ny fahendrena voarakitra ao amin’ny asa soratra ireny. Na toa inona na toa inona heverina ho fiezinezin’ny poeta, dia tapany ihany ny talentan’ny mpamaky no manovona azy ho erany 225. Feno ny asa soratra rehefa misy olona afaka mianoka ny hahasoan’izy ireny.
Zany orana an-tanim-bahiny, mba mora mianjera hafa izay zany masoko izay tanrifiny zary manina ny any aminay!
Fampiharana ireo haitsikera
Eme réunion
Izany dia ahatarafantsika ihany koa ny fomba nandraisan’ny malagasy ny fandrosoana izay nentin’ny ny mpanjanaka ho azy; tsy nisy fandanjalanjana na fandinihana lalina fa avy dia fanakambanana avy hatrany. Vokany, tsy maintsy misy ny mpandresy sy ny resy; koa eto ary dia voatelina tao anatin’ny kolontsaina vahiny ny kolontsaina malagasy anisan’ireny ny teny. Manaporofo izay ny mbola tsy fahafehezan’ny taranaka aty aoriana ny fitenenana fa hita hatrany ny fiteny vary amina akotry.
Famintinana ny fizarana voalohany
Ny fotoanantsika raikitra olon-droa mifanakora any anatin’ambiroa
Ao aoriana vao homena
Ity fomba filazan-javatra ity no nentin’ny mpanoratra nandoko ny fifamatorana nisy teo amin’i nanja sy ilay olon-tiany. Ny fototeny hita miverina eto dia ny hoe tia. Izany hoe, mahatsiaro ho manana firaiketam-po amin’olona iray izay irina ho an’ny tenany manokana i nanja. Ka nahafoizany zavatra sy nanolorany ny tenany mihitsy izany. Ny polyptote eto no nanamafisany amin’ny mpamaky na ny mpihaino ny fifankatiavan’i nanja sy ilay olon-tiany, ary hisarihana ny mpankafy hitsetra azy. Noho izany ny polyptote nentina nilazana ny fifamatorana sy ny fifankatiavana matotra. Mba hahafeno ny fanazavana dia notovanan’ny mpanoratra tamin’ny alalan’ny fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fampitoviana ny oharina sy ny anoharana ny fomba filazan-javatra. Izy sisa no zahatra nifikirako.
Dottrens, tenir sa classe, tak 1 l’éducation, est considérée comme la condition préalable à tout progrès
Ny olona efa nifanerasera no tena mampiasa ity fihetsika ity, misy ihany koa anefa ireo olona tsy mbola nifankahalala akory fa afaka mifanatitra avy hatrany saingy mifampiera vao manatanteraka izany. Mandritra ny fiarahana eny an-dalana no ahazoana maneho ny fitiavana ary fantatr’ilay olona aterina avy hatrany ny tanjon’ny mpanatitra eto.
Hoy ny teny iray tena marina ny hendry no anatranarina fa ny adala raha toroanao izy indray no mitoraka anao teny farany tianay apetraka eto an-tany tsy misy tanteraka koa raha misy tsy mety aoka re mba hatoro tsy asiana p. V
Ny fanomezan’andriamanitra sakafo ireo zanak’israely tany anefitra no nitarika ny fo amam-panahin’i samuel ratany hanoratra io andalana io. Ny finoana tsy arahin’asa naman’ny maty , noho izany mila fandraisana andraikitra ny finoana. Nambaran’i eliza freda ao amin’ny tononkalony manao hoe ilay aviavy tsy namoa 377, ny tantaran’ilay aviavy nozonin’i jesoa kristy, rehefa tsy nahitam-bokatra 378. Nataon’ny mpanoratra fanoharana tahaka ny fanoharana, nataon’i jesoa ilay aviavy no voalazan’io tononkalo io.
Ny fiainan-janak’olombelona dia mety hitrangana olana, ka ny tamberim-pitia no vahaolana entina handresena izany. Anisan’izany ny mpanao ankaso izay mikendry mandrakariva ny hanapotika ny fiainan’ny hafa. Nefa dia toa herim-po very maina ny azy ireo, satria efa latsa-paka loatra ilay fitiavana. Tsinjo amin’io tononkalo etsy ambony io izany
Ts an ga n -d rind r in y ks rilnchers; morc aux de bois plac -s verticakm. Nl de chaque cote de la charreltl ’ et sen-anl d’itppui aux ridelles. ! Ls s nl fixes sur les longerom de hi caisse par des tenon chevilles to , d. Boridy ha r. O lilt. Pieces verticales du mur .
Ny fanabeazana taloha fahiny, dia tao an-tokantrano tao no tena nisian’ny fanabeazana namolavolana ny ankizy ho tena olom-banona. Lazain-drandriamiadanarivo fa teo amorom-patana teo ny sekoly voalohany izay nianaran’ny ankizy ny fiainam-pahendrena 35 izany hoe tao an-trano ny ankizy no nomena fahalalana voalohany. Tsy fahalalana hoentiny any an-tsekoly velively izany fa hoentiny hiatrika ny fiainany manontolo mihitsy. Fanabeazana feno no natao tamin’izany, ary samy nampianatra ny zanany ny isan-tokantrano. Ny reny na ny renibe no mpampianatra. Io no tena sekolin-dreny marina classe maternelle 36 araka izay nambaran-drandriamiadanarivo hatrany, dia arakaraka ny taona ny fanabeazana nomena tamin’izany ny menavava hatramin’izay mbola fohazi-matory dia beazina eo amorom-patana. Nantsoina hoe sekoly amorom-patana izany ny vaton-jaza sy izay andalam-pialana sakana kosa no mianatra ao amin’ny sekolin ny tsiambaratelo ny ankizilahy amin’izany dia beazin-drainy any am- piasana any, ny ankizy vavy kosa dia ampianarin-dreniny any am-pambolena na any am-pantsakana any.
Ny siansa mandalina ny fanabeazana dia manadihady ny mahakasika ireo endri-panabeazana rehetra. Vain-dohan-draharahany ao anatin’izany izay rehetra momba ny zava-misy amin’ny fanabeazana 14. Maro rantsana ity siansa ity vokatr’izany ary mizarazara ho taranja discipline samihafa arakaraka ny fanadihadiana ataon’ny mpikaroka. Ao ohatra ny sôsiôlôjian’ny fanabeazana izay mijery ny fifandraisan’ny fiarahamonina sy ny fanabeazana, ny pedagôjia izay mandalina manokana momba ny fomba fampianarana ny mpianatra any an-dakilasy, ny psikôlôjian’ny fanabeazana izay manadihady ny fitomboan’ny sain’ny olombelona sy ny fivoaran’ny fahalalana ao anatiny, ao ihany koa ny didaktika izay mifantoka amin’ny fitadiavana ny teknika itondrana ny lesona any an-dakilasy ary ny antrôpôlôjian’ny fanabeazana.
Mivimbina tanty i vao.
Tambohonivo 30 6
Rehefa mipetraka mialoha ny dingana itondrana ny fampianarana, na ny mpianatra aza, dia mahatsiaro fa misy lôjika ny fomba nitondran’ny mpampianatra ny fampianarana izay nataony, ary mizatra tsikelikely amin’ny fampiharana izany izy eo amin’ny fanatanterahany ny asa asaina ataony.
Safidy amin’ny lohateny ny fantina lahatsoratra ho fampahombiazana ny fampianarana ny lohahevitra marina, rariny, hitsiny ao amin’ny kilasy t12 no lohateny nofidinay. Heverina fa
Raiki-tampisaka tao an-dohany hatreo ny zava-bitany. Fahadisoana tsy nampilefitra anefa fa toa vao mainka nampisondrotra ny hambom-po. Ny tamberin-teny heloka no nampiasain’ny mpanoratra nenti-nanamafy izany foto-pisainan’i miaro izay. Nentin’ny fo rano mafana rahateo koa moa i miaro ka tsy nahatsinjo izay hiafarana fa dia nanaraka ambokony izay tiana hatao. Ny fiarahana tamin’i mendrika no nataony ho vahaolana kanjo namarina ny fiainany tany an-kady. Nanery ny sainy ny fahitana ny zava-misy iainany ka izany indray no nilazany fa tsy misy ny tena fitiavana. Saritsariny ihany, matoa nahameloka ny fanekena azy. Tsy lavitra izany ny fanombanany ny fihetsik’i felana tonga mijery azy. Te haneho aminy koa saritsarim- pangorahana koa ka naleony nampionon-tsaina fa ny fonja no efa akany fonenany. Ary izay iray fihetseham-po ihany no miara-monina ao.
Ny làlana tazano mazava tsy atahorana,
Liza fa zao no lazaiko an-dry a! Lazao an izay tompon andraikitra mandray an-dry ny olana rehetra iainan-dry miaraka amin i bazy! Ireny r ikala ilay mpandrandrana tsy anafenana loha sola! Soameva eny e! Kanefa sao mahakamo akia? Nv acte 11
Ravelojaona et all. Firaketana ny teny sy ny zavatra malagasy
Rainibozaka tena mangovitra be aho ry nenitoa rasoary a !
Fony mbola tany fianarantsoa i esther rasoloarimalala dia efa nizatra namaky boky aman-gazety maro. Tsy tapaka ny famakiany ny gazety sakaizan’ny tanora, eny fa na dia isam-bolana ihany aza ny fivoahan’ny gazety tamin’izany. Tao anatin’io gazety io rahateo dia nisy tantara mahaliana hatrany. Rehefa zatra namaky ireny tantara maro isan-karazany tany anaty gazety ireny izy taty aoriana, dia nanana faniriana hanatanteraka ny nofinofin-drainy. Mbola nijanona ho faniriana ihany anefa izany, na dia efa tao amin’ny ambaratonga faharoa aza izy. Rehefa tonga teny amin’ny ambaratonga ambony izy, dia maro be ireo mpanoratra tsy maintsy nanaovana fandalinana. Nisy tamin’ireny mpanoratra ireny no nifikirany satria nahafinaritra azy ny asa sorany, toa an’i alphonse daudet
Eo amin’ny vanin-teny faharoa na amin’ny faran-teny 2 p f- api afo, lepas lefa, nipis tify
Ny fiompiana tahaka ny nanasokajiana ny lafiny fambolena ihany no hanasokajiana ny amin’ny fiompiana. Hojerena aloha ny fiompiana fototra, ary aorian’izay no hijerena ny amin’ny fiompiana hafa.
Fady tamiko ny manontany ondana alohan’ny misasak’aklina, sitrany ahay, fotoana ianarana.
Ray aman- 05 dreninao ny
Sedra fa izaho tsy tia anao varavarana mikatona
Manampy izany koa ny fahafohezan’ny fotoana ianarana, hany ka tsy ampy ny fotoana ifaneraserana eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Izany toe- javatra izany dia misy akony ratsy eo amin’ny fampianarana sy ny fifandraisana ao an-dakilasy. Araka ny voalazan’ny mpandinika toa an-dry chistian tsiory dia mba hahafahana mampianatra dia tsy maintsy voafolaka tsara aloha ny lafiny serasera, izany hoe alohan’ny hampianarana dia tsara raha matotra tsara ny fifaneraserana 14
Agnès henriot-van zanten et kathryn anderson-levitt, l’anthropologie de l’éducatioon aux etats-unis méthodes, théorie et application d’une discipline en évolution , revue française de pédagogie, 1992, p 79 l’anthropologie de l’éducation est depuis plusieures années une discipline à part entière dans les départements d’éducation des universités américaines. Né de l’intérêt porté par les anthropologues culturalistes aux processus de transmission et à la socialisation des enfants dans les sociétés traditionnelles, ce champ de recherche s’est progressivement taillé une place importante à coté de la science de l’éducation établie comme la psychologie et la sociologie de l’éducation.
Araka izany dia fitaovana vita eo an-toerana ihany no mbola ampiasain’ireo mpanefy tanimanga ao mandoto tsy saro-tadiavina fa hita eny rehetra eny, tsy vidim-bola akory aza fa
Indraindray tokoa, na dia mazava aza ny tanjona najoro hiatrehana ny fiainana, dia tsy tanteraka araka izay nirina. Vokatry ny tsy fananana saina mandinika sy maminavina eo am-panatratrana ny tanjona, hoy ratrema william, no mahatonga izany. Koa hialana amin’izany, dia tokony hatao ho lohalaharana, ny faminavinana ny vato mety hisakana eo amin’ny fiainana. Mety ho sarotra aloha ny haminavina izay zavatra mety hitranga. Hamafisiny anefa, fa tsy maintsy atao izany raha tsy te ho diso fanantenana eo isika eo amin’ny fiainana , v. A, tak.05 anisan’ny fepetra iankinan’ny fahatanterahan’ny tanjona na ny tarigetra hotratrarina, mantsy ny fanaovana vinavina. Hoy izy, rehefa misy tanjona na tarigetra tiana hokendrena, dia tsy maintsy jerena, ankilany ny zava-misy, ary tsy maintsy tsinjovina mialoha ny mety ho fiovaovan’izany aoriana, sao dia tsy ho azo tanterahina akory ilay tarigetra , v. A, tak.06 miankina amin’ny zava-misy eo amin’ny tena araka izany, no hanovana ny tanjona efa napetraka, raha toa ka mety tsy tokony ho tratran’ny herin’ny tena na tsy ho vitan’ny tena mihitsy. Koa tokony hojerena aloha, ny zava-misy iaingana, ny toe-batana sy ny toe-tsaina, ny toe-po amam-panahy , vao manatontosa ilay tarigetra tian-kotratrarina. Tsy eny am-panombohana ihany, fa isaky ny misy zava-bita ihany koa, dia tokony hanao jery todika, hoy ihany ny mpanoratra. Tahaka ny tombana atao eo amin’ny sehatry ny fanaovana fanadinana izany, ka samy manombana ny tenany, na
Gazety takariva, t-25, lah 1972, 07-02-1958 49 op. Cit , t-26, lah -2159, 22-10-1958 50 gazety fanasina , t-3, lah 145, 04-08-1960 51 gazety takariva, t-26, lah -2159, 22-10-1958
Maintirano no hialana fa efa trotraka sy haraka, nefa kosa analalava tsy hitoerana ela loatra raha ho any sambirano, aoka ihany mba hiaraka, any alohantsika any any isika no hihoatra.
Ny fotoana nampanaovana ny fampiasana amin’ny ankapobeny, dia natao enti-mody ny fampiasana nomena ny mpianatra. Nisy ihany anefa ny natao tao am-pianarana, izay hita tao amin’ny td 4 ny 21 febroary 2011. Toy izao avy ireo ny fampiasana natao tao am-pianarana tamin’ny 21 febroary 2011 no nanaovana azy ity tao amin’ny td 4. Ny laza adina tamin’izany dia manao hoe hoy ity mpandinika iray raha tsara ny atao dia ny tany sy ny lanitra mitahy, ary ny zava-boary mitso-drano avokoa; fa raha tsy mety kosa ny atao, izay ren’ny sofina toa mandatsa avokoa, ary izay jeren’ny maso manozona daholo fakafakao. Ny fomba fiasa fandrafetana ny teny fampidirana fitsarana ny asan’ny mpianatra fanomezan’ny mpampianatra ny drafitra antsipirihany. Toy izao izany lh ny tody fd ny lanjan’ny tody na ny endrika isehoany. Rh 1 famaritana ny tody rh 2 ny toetran’ny tody rh 3 ny vokany toy izao ny fanazavany ireo ny tody no lohahevitra, satria ny tody, hoy izy, araka ny lesona dia mety ho tsara, raha tsara ny natao, ary mety ho ratsy raha ratsy ny natao. Io no resahin’ny laza adina ny foto-dresaka dia tsy nohazavainy, fa tonga dia nomeny famaritana ny tody, hoy izy ny renihevitra voalohany, satria tsy maintsy hita izany amin’ny famakafakan-kevitra. Ny laza adina ihany koa dia miresaka fiveranan’ny natao toetran’ny tody no renihevitra faharoa, satria misy teny hoe tsara sy ratsy ao amin’ny laza adina ny renihevitra fahatelo kosa dia ny vokany, satria izany no tena ventin-kevitra ao amin’ny laza adina. Fanomezana fotoana ho an’ny mpianatra hametrahany fanontaniana fandrafetana ny rh 1 famakina ny rh 1, isaky ny laharanan’ny dabilio. Fandrafetana ny rh 2
Raivo mitomany alaivo ny antsy lava ry dadabe dia atsatohy eto amin ny kiboko, fa mafy loatra ity fampahoriana ataonao ahy a.
Ny fahaiza-mandalina mampianatra ny itenenana hahay handalina tsara ihany koa rado amin’ny alalan’ny fahaizana mandinika ny zava-misy iainana. Ny fivoaran’ny fomba fisainana sy ny tranga eny anivon’ny fiaraha-monina. Tsy handinika fotsiny ihany anefa fa manadihady mihitsy izay antony nahatonga izany ary mahay mitsikera fa
Ratany, ry kintana , and.1, in vondrona ambara 2, tak.44
Ratsifandrihamanana, rary ranto 95, tak.11
Fahendrena eo amin ny fiainana i ankapobeny i i mamariparit -a ny l toet. Ra tak1nu
Nasolo ireo. Asa soratra izay mitantara ny tantaram-pirenena malagasy sy ny fiainan’ny vahoaka. 2.2. Ny fanehoan’i nasolo ny tarakevitry ny tantaram- pirenena ny tantara tsy fanadino, hoy ny fitenintsika. Fanoitra iray ho amin’ny fandrosoana sy ny hoavy tsara kokoa ny fahalalana azy. Ahafahana manitsy ny tsy nety sy handraisana fanapahan-kevitra hoenti-mibanjina ny hoavy izany. Zava- dehibe ny famerimberenana ny tantara, zava-tsarobidy ho an’ny taranaka izany, ka tsy mahagaga ny mpanoratra raha nandrakitra izany an-tsoratra. Manana ny fomba fanehoany ireny manokana ny mpanoratra tsirairay amin’izany, ary samy mikendry izay hevitra sy hafatra tiany hampitaina, ihany koa, ao anatin’ireny asa soratra ireny, ka samy misintona izany ao ny mpamaky. Lafin-kevitra roa no hita misongadina ao amin’ny tononkalon’i nasolo, raha ity tarakevitry ny tantaram-pirenena ity no resahina ireo tolona nataon’ny malagasy ary ny tantaram-pahantrana malagasy. 2.2.1- ny tolona nataon’ny menalamba sy ny sadiavahy 2.2.1.1. Ny tolona nataon’ny menalamba samy manana ny fomba itantarany ny zava-misy eo amin’ny firenena ny mpahay tantara ao ireo manoratra boky tantara, fa misy indray miezaka hanintona ny mpamaky bebe kokoa. I nasolo, ohatra, nandrakitra izany an-tononkalo. Narosony voalohany ny tolona nataon’ny menalamba. Toy izao no nanehoany azy 1895-1898. Raha vao resy tao andriba ry rainianjalahy ry rainimanonja dia nanao be fiavy ireo mpanjanaka vazaha ry metzinger, ry lefebre ry laroche. Ny menalamba kosa nivonona tsy hanova ny satam-pitondrana, tsy laitra norarana ry rabozaka, rabezavana, rainibetsimisaraka
Atolotro ho anao ho soloko mankany hanoroka anao ity foko mitomany fitiavana mivay mandofika mandazo maniriniry volana an-danitra tsy azo
Raha ireo àry ny tanjona napetraka hotratrarina tamin’ireo lohatenin-desona roa ireo, dia hirosoana manaraka ny dingana nanatontosana azy.
Ohatra 2 jeso ô! Eny ho’aho, zany tompoko ’zany! ’zany manko ka teo tsy mba lainga! Hianao ley tompo sy ley zanahary ka niala ny lanitra tonga olombelona! Vao tonga niseho ka ory sahady! Ny fifamalian’i jeso sy ny olombelona, takila 24-25
Ny lalam-barotra afa-drakotra goragora sy tsy matotra?
Ny fianarana tany amin’ny sekolim-bazaha dia natao ho azy vazaha. Novolavolaina hahafantaran’ny zaza frantsay teraka taty am-pitan-dranomasina ny fiaimpiainana any frantsa sy izay andrasan’ny frantsay aminy. Fahalalana miompana amin’ny fiheverana fa ny haren’ny zanatany dia natao hahabe voho ny harena frantsay. Ny tokony homarihina faharoa izany, dia ity tsy manambara fitiavan-tanindrazana na oviana na oviana ny fananam-pahaizana eo amin’ny malagasy, satria raha nianatra isika, dia ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola ary ny fitiavam-boninahitra no nanesika antsika fa tsy ny fikatsahana izay hahasoa ny firenena no nanempotra antsika.
Raha anio mitsiky, mihomehy ampitso indray dia mitomany na mirana aza ny tarehy vetivety miova izany.
Haimah hatramin’iny nihaonantsika voalohany iny dia nisy fitiavana nitsiry tato am-poko. Sedra haimah! Andray izany hafaliako, toky no omeko anao fa hanaja anao aho, ho tia anao foana. Rehefa vita ny fianarako dia hivady isika. Haimah na dia mbola tsy vita aza ve ny fianarako?
Raha vao manomboka manatody ny akoho dia manomboka miditra ny vola ho an’ny mpiompy. Miankina amin’ny fotoana hanatodizan’ny akoho sy ny fitomboany tsara noho ny sakafo araka ny tokony ho izy ny famokarana atody. Indroa isan’andro ny mpiompy no manangona ny atody satria misy amin’ireo akoho no mandatsaka maraina, misy ny mandatsaka hariva. Misy amin’ireo ihany koa anefa no tsy manatody indraindray.
Ny lahatsoratra mandresy lahatra
Nalaina tao amin’ny anganon’ny ntaolo, nangonin’i l. Dahle sy john sims, trano printy loterana, antananarivo, 1984, tak.174 36 nalaina tao amin’ny anganon’ny ntaolo, nangonin’i l. Dahle sy john sims, op. Cit, tak.191 37 v. A, tn4, tantaraina ka mora
Ny embona manko ! Tsy haiko resena; 10 ampy hahafaty ny foko efa tia. Manina anao aho ka zary jambena, atopatopan’ny tsiaro satria mamiko ianao, sady tena lalaiko; ianao irery, tsy mila mpanampy; 15 kanto tsy hisy hahasolo ato an-tsaiko; ody alahelon’ny foko niantsampy.
Filazana mihoatra ny tokony ho izy mba hanehoana ny fanandratana ny haja sy voninahitra ananan’ilay rangahy no niteraka ny fisehoan’io fitenenana io.
Ity vanim-potoana ity. Anisan’ny nampirongatra io hetahetan’ny tany voazanaka io ilay fifanarahana nataon’ny firenena maro tany san fransisco momba ny tokony hanomezana fahaleovantena ireo firenena voazanaka rehetra. Nanao sonia tamin’izany i frantsa 112 nolavin’i frantsa indray anefa ny famotsorana ireo zanataniny; vao mainka aza nohamafisiny ny fangejana sy ny famoretana azy ireo. Vokany dia nikasa ny hitatitra ny toe-java-niseho teto madagasikara ireo solombavam-bahoaka mirahalahy ravoahangy sy raseta. Ny septambra 1947 no nikasany hanatanterahana izany. Fantatry ny mpitondra frantsay anefa izany fikasana izany, noho ny fanampian’ireo malagasy sasany azy. Nanao izay hampandamoka izany fikasana izany ny mpitondra avy eo, ary nanomana ny fisamborana ireo solombavam-bahoaka ireo ny frantsay, ka ny 3 aprily 1947 no saika hanatanterahana izany. Nanoloana izany dia tsy nipetra-potsiny ireo tia tanindrazana malagasy. Nivonona ny hiady hatramin’ny farany izy ireo, nikotrika hanao fihetsiketsehana handravana ny hevi-petsin’ny mpitondra. Nisy ny fihetsiketsehana fanafihana toby miaramila sasantsasany nanerana ny nosy, toy ny fanafihana ny toby miaramila tristani sy ny tobin’ny gardes indigènes, ny vazaha manam-pahefana rehetra sy izay mpialokaloka tao aminy tao moramangany alin’ny 29 martsa 1947113 toy izao no hitantaran’andriamatoa razafimahandry joseph azy alina mihosin-drà. Natrehina sy nataon’ny tena. Antsoantso, kiakiaka, poabasy, horakoraka, vely daba nanerana an’i moramanga. Ny toloko sy kiakiakan’ny voakapa antsy, ny dradradradran’ny voatora-defona, maivana ny fandrenesan’ny sofina azy fa mampivadi-po ny fanatrehana izany. Tsy noheverina ho olona ireto vonoina sy ny faty mitsipatsipaka, ka ny tongotra mandeha tsy mihilana fa manosy izay mifanitsy taminy; toy ny vato na dongon-tany nodiavina ka tsy nampiambatra na dia kely akory aza. Ny sento, ny
Fianakaviany. Raha izay ny fiheverana ny kolontsaina niainan’ny razana, hodinihina manaraka indray ny rafi-pitantanana ny orinasa sy ny kolontsaina nitondrana azy.
Matetika ny olona tratran’ ny fahadisoam-panantenana no lasa mamoy fo. Araka ny tenin’i e. M ramarotafika , manao hoe fa manjary vahona kosa ny tantely ohanina amin’ny famoizam-po, amin’ny fotoanan’ ny fahadisoam-panantenana. 75
Raha nandao azy ramose raveloson tafatombina teo amin’ny sisim-pandriany i robena nony tonga tao an- tranony. Nifantoka ny tsihy izy, nalahelo an-dramosé raveloson toy ny falahelo olon-tiana. V. A. Tak106
Unité monétaire en ariary
Mbola maro ny tononkalon’i ny eja maneho io karazana teny savily iray io mantasoa , iza ianao , ao anaty masonao , hendre tsara! , ary ny tantara no hitsara ny mpampiankina fa kosa, dia natao hanehoana fampiankinan-kevitra vaovao ihany, saingy toe-javatra sy ny antony no ampifandraisiny. Amin’izay fotoana izay, dia ilay antony no tena singanina. Ahatarafana ny fampiasan’i ny eja io karazana teny savily io, ny fahoriam- pitiavana asehony. Mahatsiaro ho ory tokoa mantsy rehefa ilaozan’ilay olon-tiana tian’i ny eja hasongadina izany fahatsiarovana ilay olon-tiana nandao izany. Hoy izy maneho izany ao amin’ny eritreritra manadala ny ranomaso mikoriana atsefaky ny sento lalina, fa manembona olon-tiana izay efa hita fa tsy manina. 121
Ny fiompiana. Antoky ny fahombiazan’ny fiompiana landikely ny fahatomombanan’ny tranony sy ny fitandroana ny fahadiovana ary ny fahaizana misafidy atody tsara karazana. Maharitra iray volana sy tapany eo, amin’ny ankapobeny ny faharetan’ny fiompiana landy. Eto madagasikara dia azo atao ny miompy landy inenina isam-taona, raha indroa na intelo ihany ny any ivelany, araka ny fanadihadiana nataonay tamin’ny lehiben’ny kaoperativa rakotomalala et fils. Araka ny fantatra, manao firaisana ny lolo lahy sy ny lolo vavy mandritra ny adiny efatra, ary manatody avy hatrany izy aorian’izany. Foy ny atody avy eo, ka manome bibin-dandy ary manomboka mihinana ravin-kazo izy io. Mifandimby mihinana sy matory izy, ka aorian’ny fatoriany fahefatra dia masaka ny landy, ary miomby; tsy mihinana intsony izy, fa manao trano ary mivoaka ho lolo indray avy eo, ary ny akoran-dandy azo ahodina ho kofehy amin’izay; dia toy izay hatrany. Voalaza ary fa raha voahaja tsara ny fepetra rehetra amin’ny fiompiana landy, aorian’ny 28 andro, dia efa mahazo akoran-dandy ny mpiompy azy. Sary 8 lolo manao firaisana. Loharano rasahondranimaro thérèse
Aza tsindrina aho ho aho ! Aza. Tsi. Tsindrina aho e ! Aagh ! Sem. Sempotra aho ! Vo vonjeo ! Vonjeo e !
Tsy feno ny fitaizana maha olona raha tsy voavolavola ny saina amam-panahy. Mamolavola izany saina amam-panahy izany ihany koa ny voalaza tetsy ambony, nefa endri- panabeazana manokana no haroso eto. A anganon’ny ntaolo endri-panabeazana iantsorohan’ireo zokiolona efa nahazoazo taona ho an’ireo taranany ny angano. Mivelatra amin’ireto endrika manaraka ireto ny vontoatin, ny angano
Austin, quand dire, c’est faire, tak.9 s’il est bien vrai que les énonciations sont des actes, alors elles doivent, en tant que tels, viser à accomplir quelque chose.
Vao mahazo petsapetsa dia mitrebona ny voa. 15 fatratra eo ny taninketsa, maintso mavana tokoa.
Pasitera zazakely hoe ry mama a? Fa ny toa an’iza no olon- dehibe?
Mavany sahisahy
One applied in this research the theory of the communication by j. Tardif and the theory of interaction by guy rocher.
Tsy misy afa-tsy 20 izany raha tsy mahazo omby izy ireo. Entina milaza izany fa manana ny anjara toerana lehibe ny omby eo amin ny rafitra mandraka ankehitriny. Tao amin ny fizarana fahatelo sady farany no nanaovana andram- pandalinanany rafitra mpiray kibon omby nisongadina tao anatin izany ny lanjan ny rafitra ankehitriny. Na dia nambara aza fa nihen-danja ny rafitra ankehitriny kanefa noho ny fandalinana ny fitrangan ny fandraisana anjaran ny mpiray kibon omby tamin ny famadihana dia tsapa fa maro ireo antony nampihen-danja ny rafitra ka nahatonga anay handroso tolo-kevitra, izay heverina hanatsara ity rafitra nentim-paharazana ity. Heverinay, araka izany, fa ny fandraketana an-tsoratra ny momba ity rafitra dia no ahalalana bebe kokoa mikasika azy no sady natao hitahiry ny fomban-drazana. Ny fidirany an-tsehatra amin ny fampandrosoana ny faritra ihany koa dia mampisy akony amin ny fampivoarana ny fari-piainan ny tsirairay satria rehefa mihatsara ny fari-piainana dia azo heverina fa tsy ho olana velively ny hanolotra omby. Vokany, velona mandrakariva ny rafitra na eo aza ny fandrosoana avy any ivelany. Tsy azo ekena anefa izany tolo-kevitra izany raha toa ka tsy mamokatra ao anaty filaminana ny mponina. Tolo-kevitra mikasika izany, ny fiverenana mandrafitra ny statut dina eo anivon ny distrika ka ny fakan-kevitra miainga avy amin ireo rafitra nentim- paharazana no dingana voalohany amin izany. Koa heverinay fa mbola betsaka ny madilana tokony hofenoina amin ity asa ity ka andrisihana ireo izay mbola maniry hanao izany mba hanatevina hatrany ny voka- pikarohana efa misy.
Argument d’autorité
Tokana ny valiny ny fiainana ê no sarotra!
Ikitokeliko eo ihany, izy aloha no omeko baiko mandehana aloha e! Tanteraho ’zay nolazaiko.
Ny fiovam-pihetsika teo amin’ny mpianatra vokatry ny fitaizana azy tao amin’ny kilasimandry
Allal linda, op. Cit, p. 140 bloom et ses coauteurs ont aussi decrit une trisième fonction de l’évaluation, désignée le plus souvent par le terme pronostique en français ; sans être une compasenrte de base de la pédagogie de maîtrise, elle intervient chaque fois qu’il s’agit d’orienter l’élève vers un nouveau cursus d’études
Ao ireo tononkalo ahitana andalana enina isaky ny andininy. Andeha horaisina ohatra, ilay tononkalo hoe tsia, ry foko ô! 67. Tononkalo nosoratany tao anatin ny fahasahiranana lalina raha narary ny vadiny sy ny zanany