url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/vely-rano | Vely rano | tsiolaka | taona dimanjato ,volana fahafito Andro efatra ambinifolo
indro zazavavy rano misalotra ny lamba fisalobonan'ny maraina
mitsivaka manaraka ny hazakazaky ny tselatra hahamaoty ny tontolo
mantsy io mandrahona ady ,manakora i leviatana mikasa ny haningotr'aina
injao nivava koa ny tany ka nitrebon-tsasak'alina ilay ran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lavi-malala | LAVI-MALALA | Fredy Jaofera | LAVI-MALALA
Lavi-malala
ka tsy miala
itony alahelo
mamelovelo.
Lavi-malala
ka mahalala
tsiaro mivoy
anao re, roy !
Lavi-malala
ka manadala
ireo sorisory
manary tory.
Lavi-malala
ka mamanala
ny ora etoana
be fisentoana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/zanako-tiako | Zanako Tiako | RODER | Zanako Tiako
Anao no masoandro mifoha,
Manazava ny fiainako isan’andro,
Tsy hisy hanohitra na hanova,
Fa ianao no fitiavako tsy manan-kadro.
Tsy hanary anao velively aho,
Na tonga aza ny oram-baratra,
Satria ao am-poko ianao,
Toy ny hazavana tsy maty taratra.
Miezaha, zanako, tsy ho kivy,
Ny lalana dia lavitr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/ny-rarinny-matanjaka | Ny rarin'ny matanjaka | Jean NARIVONY | 'Zao no teniko, rankizy, hoy ty reny tamin-janany
Aoka samy ho afa-pon’ny anjara izay ananany
Tsy nasiako fiangarana ny mofo nozinarako
Samy manana daholo ka izany no anafarako.
Sao ianareo vaventy mampahory ny madinika
Saingy mahatahotra azy ka hanery tsy handinika
Fa hitaky ny anjarany amim-peo manerongerona ;
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fyfy/satry-ilaza | Satry ilaza | fyFy | satry ilaza aminao
Fa enao tsy eo
Satry anambara ny ao ampoko
Fa enao tsy eo
Satry itantara zao rehetra zao
Fa indrisy aiza ary enao
Satry amihana mafy anao
Fa rivotra mitsoaka mangina no
Mimbitsika ny foko mangina o!!
Satry anao zao rehetra zao
Fa raha tsisy anao de tao
Tsihy anantateraka mihitsy ao
Raha t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tia-tanindrazana | Tia Tanindrazana | Nosy Malala | Tia Tanindrazana,
Mbola"tia tanindrazana" ve ianareo,
Mifandrombaka, miady seza ireo,
Raha toa ka foananana ny tombotsoa,
Miara mihafy amin’ny vahoaka aloha.
Halavirina koa ilay hoe mahitahita,
Vahoaka rehetra no irina ho tafita.
Miara-mivondrona mamaha olana,
Fa tsy lany andro mifanafintohana.
Ny afafy anio,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/tampim-bava | TAMPIM-BAVA | Ravo | TAMPIM-BAVA
Moa mbola misy ihany
Ireo vava tsy avela
Hanambara ny ao am-po?
Ny fitiavana hono manko
Tsy mba sahy aderadera
Sy toriana tokoa
Fa sao ianao ka handà!
Zary sakana tsy nahy…
Moa mbola misy vava
Voasakana tsy hiteny
Hanambara ny tantara?
Na dia teny iray ihany aza
Dia tsy ho voalaza velively
Ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/atolotro-ho-anao | Atolotro ho anao | Randja | Ny fitiavako rehetra
sy ny foko izay mitempo
dia atolotro tsy misy fepetra
izay no azoko ambara eto
Ny amiko manontolo
no atolotro ho anao irery
mandritra ny fiainako tontolo
ankalalahana fa tsy an-tery
Ny fiainako rehetra
sy izay mikasika ahy
no atolotro anao tsy misy fetra
dia matoky fa aza manahy
Izay fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/hay-ianao-nanaiky-ihany | HAY IANAO NANAIKY IHANY | Elysé Azrael | Ianao moa hanaiky ihany,
Dia efa nampifila tsy nisy tahaka izany,
Mody tsy miasa loha rehefa anontaniako,
Nampijaly nampifila: nandà ny faniriako.
Hay nanaiky ihany no niafarany!
Tsaroako ery taloha
Fony isika roa
Mba sendra tafahaona
Ianao mandositra ahy foana!
Rehefa tsaroako anky ireny
Dia iny aho fa mihom... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotosolofo-jean-emile/ny-hajanny-foko | NY HAJAN'NY FOKO | RAKOTOSOLOFO Jean Emile | 1 - Ny hajan'ny foko madio ranoray,
Haingo sy ravaka soa tafaray
Karatra ho entiko rahatrizay,
Hidirako any an-danitra mandrakizay.
2 - Ny hajan'ny foko mamiratra soa
Ambenako mba ho voahaja tokoa
Ifonako kosa ny ratsy taloha
Fa sao tsy mitsena ny Tompo Jesoa.
3 - Ny hajan'ny foko madio tsara indrindra
Ambenak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sarotra-ny-lalana | SAROTRA NY LALANA | Fredy Jaofera | SAROTRA NY LALANA
Sarotra ny lalana
misy fahamamiana
hamirapiratana
rehefa nisy fihafiana.
Sarotra ny lalana
misy fahatsiarovana
rehefa mitantana
ny sedra nolalovana.
Sarotra ny lalana
misy fahasambarana
rehefa mahalana
ny toky izay nafarana.
Sarotra ny lalana
misy fahalehibiazana
tonga mivantana
vao ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-te-hijaly-intsony | TSY TE HIJALY INTSONY | Fredy Jaofera | TSY TE HIJALY INTSONY
Tsy te hijaly intsony
ny foko nosedraina
fa mikaroka ora tony
vao avy ny maraina.
Tsy te hijaly intsony
fa mila fiainam-bao
mampihataka irony
ambara ho raorao.
Tsy te hijaly intsony
fa mitomany zavatra
tsy hiainan-donilony,
hampiova ny lahatra.
Tsy te hijaly intsony
fa hihoa-pefy ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamony | MAMONY | Fredy Jaofera | MAMONY
Mamony fitoniana
ny raoziko rehetra
ka azom-pifaliana
tsy mba misy fetra.
Mamony fanajana
sarobidy ombieny
tena hahatamana
fa saotra lavareny.
Mamony firosoana
ho any amin'ny soa
sy ny fahazotoana
ny hiasa tsara koa.
Mamony fanginana
hampety izay hatao,
hitory fanambinana
sy maraina vaovao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/iray-kapsily | Iray kapsily | tsiolaka | Tsy ny tany hoa no fady fa ny vavan'ny vahoaka
ka tapakevitra aho androany fa tsy maintsy hiala toaka
Ekeko tena mahafinaritra ilay fiarahana hatrizay
fa aleo mihitsy ity hajanona fa efa tena ampy izay
Aiza ve vao tsy misotro dia mivadika mangovitra
tsy mahajoro tsara intsony ,ny hozatra avy no mihalozitra
Vao tr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mihidy | MIHIDY | Fredy Jaofera | MIHIDY
Safidy
izay koloiko,
na lasa nandao :
mihidy
ato am-poko
ny fitiaavako anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/co-ia-iavotriniaina/namako-ve-sa-sipako | Namako ve sa sipako ? | Co-ia Iavotriniaina | Namako ve sa sipako?
Malaza be ao an-tanàna hoe isika sy ianao hono miaraka.
Mety ianao nampindramako akanjo angamba, no efa nisy naharaka!
Ny sasany mody mitsatoka, matahotra ho very fihinanana.
Mahavita mamorona angano, mahavita mampiady mpinamana.
Ny fiheverany ahy angamba ananana!
Kanefa maninona moa, raha is... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/raha-misy-manome | Raha misy manome | Nosy Malala | Raha misy manome zavatra ho anao,
Kingà miteny hoe tsy mila tamby ve ?
Misy ny manararaotra,
Ilay fahatsorana fahiny.
Avy eo'reo fetsy tafavoaka,
Mahazo izay iriny...
Izay mandray ilay tolotra,
Dia manao ny sitrapony,
Ny zoanao ho votsotra,
K’aza MAIKA hisaotra intsony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miankina | MIANKINA | Fredy Jaofera | MIANKINA
Miankina aminao
ny fanantenana
hivatsy zava-bao
tena higagana.
Miankina aminao
ny fangatahana
hipoitra ao ho ao
fa nivavahana.
Miankina aminao
ny fahazavana
hanilo ny eto izao
sy tsy horarana.
Miankina aminao
ny lamin-tsaina
hitoetra ka andao
fa efa lalaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-fomba-ahoana | AMIN'NY FOMBA AHOANA ? | Fredy Jaofera | AMIN'NY FOMBA AHOANA ?
Amin'ny fomba ahoana
no hahitako anao indray
fa toy ireny voamboana
iny fitia mba nampiray ?
Amin'ny fomba ahoana,
hamerenam-piadanana
noterena ery ho moana
ka nanimba fihavanana ?
Amin'ny fomba ahoana
no hamoha ny toky lasa
teny hatrany nanoloana
nifonofono ireo kinasa ?
Amin'ny fom... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hazavana-2 | HAZAVANA | Fredy Jaofera | HAZAVANA
Ny Fanahy Masina
dia Hazavana
avy amin'ny Ray
mba tsy hitsinkasina
fa hahatamana
ilay Fitiavany izay. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-afa-manoatra | TSY AFA-MANOATRA | Fredy Jaofera | TSY AFA-MANOATRA
Alahelo no mamely
te hampiteny loatra
iny lasa, na dia kely
ka tsy afa-manoatra.
Ahiahy no mironga
mila ho tafahoatra
fa moramora tonga
ka tsy afa-manoatra.
Nofinofy no mitana
izay natao hivoatra
fa izay dia norarana
ka tsy afa-manoatra.
Fitia no mahasarika
sy afa-nanamboatra
f'ianao tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanahy-masina-2 | NY FANAHY MASINA | Fredy Jaofera | NY FANAHY MASINA
Ny Fanahy Masina
dia fanomezana
avy amin'Ny Avo
tsy hitsinkasina
vao fahaverezana
no mila handavo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/clarisse-ratsifandrihamanana/hiranny-asa | hiran'ny asa | Clarisse Ratsifandrihamanana | Mitsatotsatoka ny angady :
Tononkira vao mifoha, tononkira iray sahady
Ilazàna fa mitohy ny fisiana sy ny tolona,
Mbola velona ny aina, mbola ao ny tena olona!
Mitsatotsatoka ny angady:
Mbola misy itony Asa, mbola misy koa ny ady
Ifarimbonan'ny miaina… tononkiran'ny atoandro
Miakatra manentohento isanandro isana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-mdk/ho-ani-neny | Ho an'i Neny | Hary MDK | Neny o! Niaritra ny mafy ianao
Hatrizay ka hatramin’izao
Tsapako ireo kiry sy ezakao
Tsy nitaha mihepaka
Na nitaraina sy nitalaho
Fa niasa tam-pitsikiana
Nozarainao fitiavana izahay
nokarakarahinao toy ny zana-bahoaka
Raha misy aza ny ditranay
Ianao teo foana fa tsy mitsoaka
Aza manahy fa tsy hadinonay ireny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahombiaza | MAHOMBIAZA | Fredy Jaofera | MAHOMBIAZA
Ny tiako hofafazana
hatramin'ny anikeheo
izay tao anaty vazy :
izany fahombiazana
dia tonga amin'ireo
sahirana mitady azy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/divay | DIVAY | Fredy Jaofera | DIVAY
Divain'ny fifankatiavana
ny ran'i Kristy Jesoa
izay afa-mampihavana
antsika ka misotroa.
Divain'ny firahalahiana
mitondra famelana
satry foana hampiana
fa mila fahagagana.
Divain'ny tena fiainana
mamono ota maro
tsy hampisy fitarainana
ka aza afangaro.
Divain'ny finoana mafy
hipoiram-piadanana
ka s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/boky-mihidy | BOKY MIHIDY | Fredy Jaofera | BOKY MIHIDY
Boky mihidy
tsy sokafana
rehefa ngidy
vao niafana.
Boky mihidy
mampahory
mangidihidy,
manorisory.
Boky mihidy
tsy fambara
na ho amidy
any am-para.
Boky mihidy
tsy kitihana,
sao handidy
hotsirihana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/soa | SOA | Ravo | SOA
betsaka ireo vitsy an’isa
mitaha ireo maro tsy niteny,
nihevitra izy fa nandresy
teo anoloan’ireo nangina
fa rehefa hitranga ho hita kosa
izay hevitry ny maro
aza ianao mitolagaga
fa bitika sy tsy ampy vina.
Aza ianao sasa-mihevitra
fa hoe marina ombieny,
Ny fahalahanao dia feran’
ny fefin-jon’ny hafa k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-mdk/hiandry-aniza | HIANDRY AN'IZA | Hary MDK | Hiandry an'iza hiteny
vao hamboaraka ny ao ampo
lay fery marary
mandratra ny ambom-po.
Hiandry an'iza hanambara
zay vao saha amoaka didy
fa ireo teny zay nandratra
mbola hiafinao isaky ny minitra.
Hiandry an'iza hanoratra
vao sahy hivoalana ny zavamisy
fa tsy soritsoritina lava
atao mibaribary fa tsy ankolak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ala/ny-tody | Ny tody | Ny Ala Zohimbato | Izahay angaha izao naninona, fa ianao no nisafidy ny hitodi-doha makany ?
Izahay angaha niteny, fa ianao no nanapakevitra ny ampihotsaka ny tany ?
Tsy nikofoka akory fa sitrapon'ny Alakamisy no nanambadiany ny Ambaniandro.
Namafy ianao fa rivotra, dia jinjao ny tadio, na tsy hiposaka masoandro.
Ny soa atao levenam-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hazo-mamokatra | HAZO MAMOKATRA | Fredy Jaofera | HAZO MAMOKATRA
Aza mandoro
hazo mamokatra
no fiangaviana
dia tsy hikoro
fa tamy hisokatra
ireo fitahiana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ratra-tsirairay | NY RATRA TSIRAIRAY | Fredy Jaofera | NY RATRA TSIRAIRAY
Ny ratra tsirairay,
nanimba faniriana
ka mbola mivay
fa tsy fanahy iniana.
Ny ratra tsirairay,
nampihataka ny fo
fa mivoy indray
ny alahelo be nanjo.
Ny ratra tsirairay,
namoaka tomany
fa izay ela izay,
marary eny ihany !
Ny ratra tsirairay,
miraikitra ho doria
fa aloka tsy hay
raha a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-mdk/embona | Embona | Hary MDK | Potraka ny ranomasoko noho ny alahelo anao
Ny adin-tsaina mitambesatra satria izaho miady irery
Fa raha ny sitrapoko dia ho any izao dia izao
Mantsy mahagaga ny fitiavantsika toa mistery
Satriko isan’ora dia hahareha ny feonao
Mba tsy hahatsapako an’izany fihetsehampoko
Nefa moa mba inona no azoko atao
Afa-tsy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-mdk/ry-zanako | Ry Zanako | Hary MDK | Handeha ianao izao
Hamonjy fianarana
Handrato fahalalana
Fa Tsy hoe fitiavana
Tsy manakana akory aho
Raha hitia olona ianao
Fa izao ry sombinaiko
Tratraro aloha ny tanjonao
Aza atao mampifezaka
Ireo karazan'olana any
Fa mbola eto i dada
Hanomeha ny soa hatrany
Raha lany vatsy
Aza misalasala miteny
Fa Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tafio-drivotra | TAFIO-DRIVOTRA | Fredy Jaofera | TAFIO-DRIVOTRA
Tafio-drivotra firy
no natrehina teny
fa nitaona ny kiry
ny hijoro ombieny ?
Tafio-drivotra firy
no nanelingelina
mainka niziriziry
fa mora nihelina ?
Tafio-drivotra firy
no nanimba tory
maro mankadiry
fa tsy kivy akory ?
Tafio-drivotra firy
no nandoza lava
tojo sento nitsiry
fa dia miran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ny-vola | NY VOLA | Nosy Malala | Ny vola,
Hono ho aho, sao misy vola any ho any,
Zaraina fotsiny, mba ilazao ihany.
Na koa azo otazana toy ny voankazo,
Na toy ny ravina raofina satria malazo.
Nisy ve nahazo vola teo ampatoriana,
Na ariary zato teo ambony fandriana ?
Na koa nanofinofy ho miliaridera,
Amin’ny fanambakana, lazaina afera.
Matoa m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nanan-jo | TSY NANAN-JO | Fredy Jaofera | TSY NANAN-JO
Tsy nanan-jo ianao
hiaraka amiko
ka ny tomany, fafao
fa tsy mamiko.
Tsy nanan-jo ianao
hitory fifaliana
ka nampisy raorao
sy fanaviana.
Tsy nanan-jo ianao
hanolotra fitia
ka ny sento, avelao
fa mitsikia !
Tsy nanan-jo ianao
hino ny tantara
ka indro fa nandao,
niova ny anjara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mana-maso-lena | MANA-MASO LENA | Fredy Jaofera | MANA-MASO LENA
Mana-maso lena
ny tavako, malala,
fa tsy manantena
ny nofinofy niala.
Mana-maso lena
fa any izay ianao
niova raha jerena
sy indro be lalao.
Mana-maso lena
fa malahelo moa
ka tsy hay fefena
ny ela izay nifoha.
Mana-maso lena
fa foana ilay fitia
ka mivoy tangena
toa hany nanavia. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/baiko-avy-ao-an-dapa | BAIKO AVY AO AN-DAPA | AORN | Sarintsarina fomba fiasa teo amin'ny Filoha nizaka ny zom-pirenena Frantsay
Ampiasao ny kaonty fako
Mamorona lahatsoratra
Dia lazao an-karihary
Fa efa miasa Ambohitsirohitra
Ho anareo zay Depiote
Nahazo volabe sy fiara
Mila mihetsika avokoa
F’efa ratsy ny tantara
Ambarao an-tserasera
Fa “tsara saina ny Filoha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fiovana | FIOVANA? | AORN | Tsy vitan’izay resaky ny zatra moramora
Tsy vitan’ny tsikera sy reo zatra mpanakora
Fa miainga avy amintsika izay mpanodina ny akora
Na ireo izay efa an’asa fa indrindra ireo tanora
Tsy vitan-kebohebo ka iadiana izay hitarika
Tsy vita an-databatra amy kajy sy asa-marika
Fa mila hetri-tena mba hijoro sy hisarika
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/ritra | RITRA | Ravo | Ritra
Aoka hatsahatra ihany aloha ny savony
Fa tsy mety miova loko mihitsy izy izany
Ny rano koa moa ity lazaina hoe tsy misy intsony,
Fa ritra angaha ny ranomasina sy ranomamy?
Mbola hantenaina ve hoe indray andro any,
Raha ho ritra koa ny lakandrano Andriantany,
Fa izay rehetra nodiovina dia ho zary fotsy,
Sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahavalalanina | MAHAVALALANINA | Fredy Jaofera | MAHAVALALANINA
Lalina ao anatiko
ireo sedra nahazo
maro nahafanina ;
mandrapahaftiko
dia miteraka tazo
mahavalalanina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/raha-tany-izao-ianao | "RAHA TANY IZAO IANAO" | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | Raha tany izao ianao dia...
Nisy nitomoetra ilay seza lafo indrindra;
Nisy mba nanaingo koa ilay dihy mirindra
Mba nosafidiany...
Nisy nankafy ny zavatra mba tiany.
Raha toa ka tany ianao!
Raha tany izao ianao dia...
henonao mihitsy ilay hira nohirainy,
Mety ho fantatrao koa ny tena tao an-tsainy;
Fa latsa-dra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zoko | ZOKO | Fredy Jaofera | ZOKO
Tsy afa-manohitra
ny hamanjanao
ny foko
ka indro mivohitra
ny fitiavako tao
fa zoko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tampoka | TAMPOKA | Fredy Jaofera | TAMPOKA
Tonga toreo
nampahory fanahy
ny fo tsy nitoetra ;
tampoka teo
dia maizina ho ahy
ny zava-drehetra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fihetsika-feno-fitiavana | FIHETSIKA FENO FITIAVANA | Fredy Jaofera | FIHETSIKA FENO FITIAVANA
Fihetsika feno fitiavana
no anoratako foana,
sady mbola hitadiavana
anao re, na ahoana ?
Fihetsika feno fitiavana
no ivavahako mora
ho anao any, rahavana,
na dia efa voarora.
Fihetsika feno fitiavana
no amelako ny lasa
hampiova ny fandavana
hipoiran'izay kinasa.
Fihetsika feno fiti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mampivoatra | MAMPIVOATRA | Fredy Jaofera | MAMPIVOATRA
Ny hafatra
tsy ananana ahiahy
fa marina loatra :
izay zavatra
mampianatra ahy
dia mampivoatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/am-pifaliana | AM-PIFALIANA | Fredy Jaofera | AM-PIFALIANA
Am-pifaliana
no anofisako anao
eto an-tsandriko
fa olon-tiana
nanova tao ho ao
ka dia andriko ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/clarisse-ratsifandrihamanana/vary-iray-lovia | VARY IRAY LOVIA | Clarisse Ratsifandrihamanana | VARY IRAY LOVIA.
Hano re, ry sombinaiko, ito vary an-dovia.
Mazotoa ka lanio, tapero ny anjaranao…
Aza dia ariana foana, ararakao tahaka ity.
Nahoana, ianao, no mampitamby? – manadala loatra ianao!
Hitanao, ilay omaly, fony isika raha nandalo
Fefiloha tomefy lokon-taninketsa vao vitaina?
Nisy olo-nisomeby: roa… ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-farany | TSY FARANY | Fredy Jaofera | TSY FARANY
Natao foana ny famafazana
vao nijinja nanerana
itony tany ny tena to ;
tsy farany ny fahombiazana
fa fitazoman-toerana
hanohizana herim-po. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsara-taahiry | TSARA TAHIRY | Fredy Jaofera | TSARA TAHIRY
Tsy mivadi-dela
ny tena, na inona natao
impiry impiry ;
ny sisa tavela
amin'ny fitiavako anao
dia tsara tahiry. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/atahorako | ATAHORAKO | Fredy Jaofera | ATAHORAKO
Atahorako hatsiaka
no hisoko mangina
vao tia mitsoriaka
tsy eto hitokiana.
Atahorako hipoitra
itony embona irery
izay mora mizotra
rehefa iny voatery.
Atahorako hitaona
ny sento tsy miala
mety hampisaona
raha tsy mahalala.
Atahorako hisaina
ireo sedra nangidy
mbola nahamaina
no tsy mba safidy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tony-sy-mora-tezitra | Tony sy Mora tezitra | Nosy Malala | Mora tezitra :
Tsy azoko mihitsy no mahatony an’i Tony,
Efa hita fa mpitondra mpanao kolikoly.
Mahit’ahy ireo androany, za tsy manaiky,
Mikisà tany ry Tony a, aza manakaikikaiky.
Tony :
Mora tezitra koa dia miakatrakatra foana,
Ataovy moa fa ho antitra alohan’ny taona.
́ngaha hoe mankasitraka raha mangina,
Ind... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra%C3%AF-tsitoh-mikalo/ilay-tsiky | Ilay tsiky | Raï Tsitoh Mi'kalo | Ilay tsiky ( aingam-panahy )
Ilay tsiky miatsaravelatsihy
Ilay tsiky milaza fa tia
Ilay tsiky mifono mistery
Ilay tsiky milaza fa hoe ahy irery
Ilay tsiky izay noraisiko tena izy
Ka ilay tsiky manambara fa tsy izaho no izy
Ilay tsiky hitako rehefa mba mihaona
No tsiky farany tamin'ny fisaonana
Ilay tsiky kay t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/very | VERY | Fredy Jaofera | VERY
Ilay fitiavana very
no iainako sisa anio
ka mangina irery
no tsorina madiodio.
Ilay fiadanana very
no mibahana etoana
ka, indrisy, manery
ny ora mba hikaloana.
Ilay hafaliana very
no mikapoka marina
ka tomefy ny fery
fa tsy resaka itarina.
Ilay fiarahana very
no mandena ny maso
fa tiana sy mahery
s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-manam-pahataperana-2 | TSY MANAM-PAHATAPERANA | Fredy Jaofera | TSY MANAM-PAHATAPERANA
Tsy manam-pahataperana
ny fitiavako anao
fa mainka maka toerana
ao anatiko ao.
Tsy manam-pahataperana
ny tsiaro mandeha
fa mipoitra tsy miserana
vao malahelo re.
Tsy manam-pahataperana
ny toky nozaraina
raha asiana fiheverana
fa zavatra ilaina.
Tsy manam-pahataperana
ny tantarantsik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/ranomaso | RANOMASO | Kazary2006 | Anio ianao no mitomany
Izany hoe: ory
Raha reraka vokatry izany
Ndehana matory
Aza dia mampiasa saina
Raha reraka mba maka aina
Samy io mandanjalanja ny atao
Indrindra fa ny fisainanao
Aza dia habaribary
Ny hoe: ny fiainana tsy manjary
Fantaro fa ny olona tsy lavorary
F'Andriamanitra no nahary
Tsy ianao f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/mandrombona-eclipse-07-septembre-2025 | MANDROMBONA | Kazary2006 | Androany alina
Anio izao marina
Ny andro manan-danja
Amin'ny tantaran'ny fiainako
Nahafoana ny banga
Teo amin'ny niainaiko
Tsy vazivazy fa zava-dehibe
Ny fitiavana nambarako anao
Tena feno faoriam-be
Nangataka ilay fitiavanao
Izao aho no niteny
Tsy maninona fa aoka ireny
Tsy zakako ihany dia namborako
Aoka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/mpanamory | MPANAMORY | Ravo | Mpanamory
Mila mpanamory za-draharaha sy matihanina,
Tsy miolakolaka mihodinkodina hahafanina,
Fa tsotra sy mahitsy, tsy manao amboletra
Fa vonona hitondra ho eny ampita ny rehetra.
mila mpanamory manan-tsandry henti-mivoy
sady manam-paharetana fa tsy ho mora hamoy,
mila mpanamory mahasahy miroso hatrany
fa tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-tarehy | MISY TAREHY | Fredy Jaofera | MISY TAREHY
Misy tarehy
iny tovovavy
hita nandalo
ka tsy voafehy
izay ainga avy
ho tononkalo !
Misy tarehy
nahavariana
narahina kely,
tsy nihomehy
fa mba tiana
toy ny anjely. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/tena-marina | TENA MARINA | Kazary2006 | Androany alina
Ilay andro tiako
Izay any am-po lalina
Anio izy no ho toriko
Razazavavy
Avia kely moa azafady
Aza dia misaitsaina
Fa mahazoa toerana maka aina
Tsy misy inona fa izao
Mifantoa ka henoy ny teniko izao
Ny ao am-po miafina
Anio izy no tsy maintsy mitsikafina
Ratovivavy
Mialatsiny aho ka miangavy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/tsy-fanahy-iniana | TSY FANAHY INIANA | Kazary2006 | Nahoana aho no mitia
Nahoana aho no tsy mahay tsy tia
Foko mihitsy efa adala
Sa te hiantso hoe malala ?
Dia odiana tsy fantatra
Satria ny fo hono tia
Na dia mandatsalatra
Tambezina ihany mba hiara-dia
Isan'andro aho mitory fiatia aminy
Fa isan'andro koa izany dia laviny
Misisika foana, tevatevaina
Indraindr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-faharetana-2 | MILA FAHARETANA | Fredy Jaofera | MILA FAHARETANA
Mila faharetana
ny fahombiazana
vao handrafetana
ny rindra mazana.
Mila faharetana
ny hasambarana
vao ny firaketana
ho lafo anarana.
Mila faharetana
ny soa kendrena
vao hafinaretana
feno fahendrena.
Mila faharetana
ny valim-bavaka
vao tena entana
tonga hanavaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/hisaraka | HISARAKA | DADAFARAtolotra | Mialatsiny aminao aho ry mamiko hajaina
Fa tsy hiaritra zavatra mihatra aman'aina
Raha zanaka roa sy ny telo tsy ho tratra
Dia aleoko misaraka tsisy maratra
Samy mitoetra amin'ny saha naniriany
Samy manova amin'ny fiainana tiny
Fa raha miara-monina samy halazo
Tsy aleo ve angotana ny vonikazo
Rehako ny daroka s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/ity-sambo-ity | ity sambo ity | Ravo | ity sambo ity
raha tojo andro sarotra
ity sambokely ity
iza no haharitra
hanohy izany dia?
hanodina ny lay
hahatohi-drivotra,
hanainga ny fivoy
hanosika tsy hihitsoka?
raha mitady ho rendrika
fa sangian'ny onja,
iza no hanenjika
sy hanakiana ny mpitondra?
iza no mpiampita
mbola hanome tsiny
sy ho sahy ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hampiteny | HAMPITENY | Fredy Jaofera | HAMPITENY
Be ny mangataka
hampiteny ny foko
izay mbola tia,
na anio nihataka
sy hany niova loko
ny toky nangia. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/tsy-anroany-ihany | TSY ANROANY IHANY | Kazary2006 | Mandalo ady mafy ianao androany
Dia malahelo tsy mety mihonona fa mitomany
Mitady fomba mba hialan'izany
Tsy mahita dia hamafisina ny tomany
Mihevitra fa irery ianao
Dia malahelo izato fo
Aza kivy fa tompo homba anao
Dia hampihonona anao toko(a)
Manana olana ianao androany
Dia mitomany tsy mety mitrahatra
Fan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bila/mahazo-ianao | Mahazo ianao | BILA | MAHAZO IANAO
Mahazo malahelo
Fa tsy mahazo mamoy fo
Ahisino aloha ny lelo
Dia atrakao ny loha
Mahazo mitomany
Fa tsy mahazo kivikivy
Mila mandroso hatrany
Na dia mangidy rarakivy
Mahazo koa mitezitra
Fa tsy manao an-dolom-po
Saino aloha izay hevitra
Mba hampiditra ny soa
Mahazo koa migiaka
Hanadinoana ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/hisaorako-anao-izany | HISAORAKO ANAO IZANY, | Kazary2006 | Hisaorako tokoa
Hianao ry jesoa
Satria
Ianao no tena be fitia
Raha ny fahafantarana
Dia kely monja
Fa noho ny fananana
Dia nambininao aho tamin'ireo onja
Fa notiavinao aho
Ka nesorina ireo talao
Nataonao tahaka ny hendry
Nomena fahaizana na dia tsy olon-kendry
Na dia tsy eto amiko
Ianao, hinoako fa mahahe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-izorako | NY IZORAKO | Fredy Jaofera | NY IZORAKO
Na alahelo aza
no mameno ny foko,
tsy mivazavaza
rehefa anjara toloko.
Na marary aza
ny ratra nanahirana
eto tsy sahaza,
anio re, miramirana.
Na mifosa aza
iny olo-nantenaiko,
sahiko milaza
fa mitony ny saiko.
Na mamely aza
ny lasa izay natory,
izaho tsy hihaza
ny rava nampahory. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/androany-ihany-ianao-no-resy | ANDROANY IHANY IANAO NO RESY | Kazary2006 | Malahelo ianao satria mandalo sedra
Mangina, mihonona ka mahereza
Fa fomban-javatra io
Ka ny hamoy fo, fadio
Malahelo ianao satria
Namohy anao ny namana tena tia
Tsy hoe safidiny ireny
Fa zotram-piainana ombeny
Mahita olona ianao
Dia mitombo indray ny talao
Mahatsiaro ny tena irery
Maratra ny fo ka mitombo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/dingam-piovana | Dingam-piovana | RAVINALA | Rehefa manana fotoana, hararaoty sy ataovy izay tratra
Hanehoana ny maha ianao anao sy ny vina izay kinasa
Aza ariana fotsiny amin'ny ady sy tsikera, hamoronana tsy misy hiteraka alahelo hanimbana ny hafa
Ny hoavinao banjinina, ataovy tarigetra ny hanana ny soa,
Ny tanjona tratrarina: miroso tsy hikemo; dia ho olom... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tananolon-kafa | TANAN'OLON-KAFA | Fredy Jaofera | TANAN'OLON-KAFA
Tanan'olon-kafa
no nitantana anao
fony mba tazana
ka tonga nijafa
ny tao anatiko tao
rehefa nogiazana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-hakamoana | TSY MISY HAKAMOANA | Fredy Jaofera | TSY MISY HAKAMOANA
Tsy misy hakamoana
mitera-pahombiazana
fa mainka famonoana
ny kiry, na dia mazana.
Tsy misy hakamoana
ahitana fahasoavana
fa indro fanompoana
torimaso ho goavana.
Tsy misy hakamoana
mitondra fandresena
fa, na aiza, firosoana
ho an'ny faharesena.
Tsy misy hakamoana
manainga zava-tsoa
fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/fanahy-roa | FANAHY ROA | Kazary2006 | Tendrimbohitra iray mena
Ilay fanahy no jerena
Raha sendra misaina
Satria ny fanahy no aina
Diary sarobidy ho any olona
Singa iray tsy azo amidy fa mihonona
Dia ny olona no manavaka
Ny iray tsia, eny ny iray mivavaka
Mirakitra ao anaty
Selam-panahy tsy mety maty
Fototra ihandradian'ny fo
Zavatra iray manana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-lasa | MISY LASA | Fredy Jaofera | MISY LASA
Misy lasa
izay niarahana
manasa
kely hibahana.
Misy lasa
izay nodiavina
mikasa
f'efa notiavina.
Misy lasa
izay tsaroana
tia miasa
fa haravoana.
Misy lasa
izay nipetraka
voasasa
fa tsy ketraka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/zara-lova | ADY SEZA | Ravo | Zara lova
Hono ho’aho ry Gasikara,
Gasikara tany mamiko,
ianao no antoka ho anjara
lova ho an’ny ho aviko;
nefa he jereo ity ianao
fa viravirain’ny olona,
nopotehiny tsotra izao
dia milaza izy hoe mitolona.
Hono ho’aho ry Gasikara,
inona he no hantenaina:
fomba ve sa koa fiteny,
sa ilay tany karankaina?
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanoratana-2 | NY FANORATANA | Fredy Jaofera | NY FANORATANA
Raha hivantana
ary am-piheverana
fa tsy ahindrahindra,
ny fanoratana
no fomba fitaterana
ankafiziko indrindra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-tanisaina | RAHA TANISAINA | Fredy Jaofera | RAHA TANISAINA
Raha tanisaina
ny sangisangy,
tsiky no efaina
sy te hamangy.
Raha tanisaina
ny vazovazo re,
satry hohiraina
vao oriory ange.
Raha tanisaina
ny fitia nomena,
topazo fa ilaina,
tsy mba mivena.
Raha tanisaina
ny tantara anio,
misy antenaina
ka mba itodiho. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-avahana | NY AVAHANA | Fredy Jaofera | NY AVAHANA
Ny avahana
anio manavao
itony fandaharana,
ny fiarahana
miaraka aminao
dia hasambarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miresaka | MIRESAKA | Fredy Jaofera | MIRESAKA
Miresaka anao
ny fitiavako
ka tsy zava-bao
ny finiavako.
Miresaka anao
ny faniriako
ka lalovy, zahao
ho fifaliako.
Miresaka anao
itony hirako
ka iindro araho
fa ifikirako.
Miresaka anao
ny alahelo
ka indro fafao
fa be avelo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edena-mna/ho-anilay-mpanenjika-ahy | Ho an’ilay mpanenjika ahy… | Edena Mna | Ho an’ilay mpanenjika ahy….
Soa fa nisy ianao, hisaorako manokana,
Fa ilay fanenjehanao totoafo loatra,
Nanampy ahy handroso, nanesika ahy hivoatra
Raha tsy teo ianao, angamba aho mbola teny antsasadalana,
Ireny teninao ireny, naratra , naharary
Fa namporisika ahy kosa mba hiezaka sy hihary
Fanomeza-mahagaga ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/nosinny-poeta | NOSIN'NY POETA | Ravo | Nosin’ny poeta
Ny peniko no andrasana
hitanisa ny aminao
dia ny hasoanao rehetra
ry nosin’ny poeta.
Fa ny ritsodritso-drivotra,
tsioka manafosafo;
ny topatopan-drano,
onja mandrotsirotsy:
mitety ranomasina
hamonjy anao aho,
ho tonga eo aminao
ka hiditra avy hatrany
tsy handona varavarana,
hikarenjy anatin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/tsy-hanadino-anao | Tsy hanadino anao | Elysé Azrael | Tsy hanadino anao sy ilay fitiavanao
zay mamy indrindra tamiko
f'ianao no ho filamatro,
ianao antom-pitsikiako sy anton'ny tomaniko
Ny hanadino anao? Tsy ho haiko hotanterahina!
F'ianao ilay nofy mamy satry foana hiseho,
ka ianao no mbola hotiaviko tsy sahin'ny foko hitsahina,
ka aminao hatrany no hanandratam-pe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/tsidiho-aho | Tsidiho aho | RODER | Tsidiho aho
Tsidiho aho, ry namana,
Aza avela ho irery eto an-tany mangina,
Ny rivotra mitondra hafanana,
Fa ny foko kosa mangetaheta fifaliana.
Tsidiho aho, na dia indray mandeha,
Ho tsapako fa mbola misy miraharaha,
Tsy fitaka, tsy fanadinoana,
Fa fihetsika feno fitiavana.
Tsidiho aho, amin’ny andro feno ora... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/adidy-tsy-vita | ADIDY TSY VITA | Ravo | Adidy tsy vita
Gasikara o! tany mena…
Mijery anao aho dia onena
te hanova anao ho Edena,
Te hitroatra hanova zavatra,
ka izany no hampitana hafatra.
izao no adidiko, mba efa:
hijoro amin’ny maha poeta
hampahatsiahy sy hampianatra
fa ianao dia tanin’ny fihavanana,
tanim-pady alatsa-drà
ka ireo izay rehetra sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/mamy-loatra | MAMY LOATRA | DADAFARAtolotra | Tsy ho sipasipa fotsiny na hanadala sanatriavina
No anton'diantsika roa aty ambovon'ny fitiavana
Fa ho vady andefimandry,hiantan-tsolofodimbinala
Ka ny fitiavana hanana, homena tsy an-kisalasala
Fa mamy loatra raha Ianao !
Hovolena anaty fo, hampandrobonina ao an-tsaina
Hatao safidy famaranana, hatrany amparam-po... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/ho-aiza-izahay | HO AIZA IZAHAY? | Ravo | HO AIZA IZAHAY?
(Ray sy renim-pianakaviana niatrika ny zava-nisy,
Reniny:
Efa lany, ange ry i dada, Ny kelintsika teto an-tanana e!
Raha mitohy ny toa izao Dia hanjaka indray ny hanoanana.
Vao maraina ianao dia lasa Hoe hikaroka izay mahasoa;
Ny hariva tonga ato an-trano Dia hita hoe reraka tokoa.
Fa herinandro ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/raiso-aho | RAISO AHO... | Ravo | Raiso aho...
Sambatra ny tanako
raha ho afaka hanafosafo
ilay endrik'Andriamanitra
hitako eny aminao.
Sambatra ny sandriko
raha ho afaka hamihina
ny vatan'ny Tompo
izay tinafinao.
Fa mainka aho tena sambatra
raha ho afaka mba hiditra
an-tempolin'ny Fanahy,
hiantrano aminao,
ianao ilay andrandraiko :
Fiang... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raoziko | RAOZIKO | Fredy Jaofera | RAOZIKO
Matoa manoratra ihany
Ampiana fitia am-binany,
Raoziko ianao ka tsy foy,
Indro àry ny hafatra fohy,
Ento fa misy nofinofy !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/na-efa-ela | NA EFA ELA | Fredy Jaofera | NA EFA ELA
Na efa ela
ny fitserana
no niasa,
aza avela
haka toerana
ny lasa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/endrasako-ihany | ENDRASAKO IHANY | Kazary2006 | Endrasako ihany!
Taray, tomany ny fiainana eto
Na dia mafy aza hiareto
Fifaliana, tambitamby, fitiavana
No mba endrasako aminao re rahavana
Fa ny nasetrinao nandona ny fo;
Eto foana aho no malahelo
Toa tsy mahatsapa fitiavana izany
Fa ny fo voton'ny alahelo
Dia marary ka mitomany
Aoka re mba jereo
Ny fitiava... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manan-javatra | MANAN-JAVATRA | Fredy Jaofera | MANAN-JAVATRA
Manan-javatra
hohadinoina
aho, ry tiako,
rehefa sasatra
novonoina
ny faniriako.
Manan-javatra
hokosehina
tsy hitoetra
rehefa takatra,
nopotehina
'reo tarigetra.
Manan-javatra
hotakonana
tsy hipoitra
rehefa varatra
nironana
no navoitra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/mambolia-hazo | MAMBOLIA HAZO | Ravo | Mambole hazo
raha te hahazo
ny hamamin'ny voankazo,
mambolia hazo.
raha te hianoka
ambanin'ny alokaloka,
mambolia hazo.
raha te hihaino ireny
hirahiram-boronkely,
aza izy no gadraina
fa hazo andeha volena.
rahatrizay, raha tianao
ny hilevina amin’ny vatam-paty
vita amin'ny hazo sarobidy...
meteza ianao ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/fanorenana | FANORENANA | Ravo | fanorenana
ny hoe manorina ry zandry
dia manetry ny havoana,
mitady ny mafy tsy hihotsaka
mba hanorenana ny fototra.
Ka ao anatin’ny herin-tsandry
No andatsahana ny vato
Sy iasàna tsy miato
Tandroana mafy tsy hikoro,
Arovana fa tiana hijoro.
Ireo tompon’antoka rehetra
Dia mifarimbona avokoa,
Fa tsy misy iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/satria | ""SATRIA..."" | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | Nataony dridrangilo hipaka an-tsofinao ny antso fitarainany,
Nasehony mazava tanaty fitakiana ny haizin'ny marainany,
Fa...
Hazomanga tokana misy voam-barahana no narefitrao,hisolo ny kabary,
Tsy henonao va re ny ratra anaty nofony: Marary,Marary!
Fantatrao fa saingy niniana tsy jerena ny jijaky ny meminy,
Aminao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/ho-avy | Ho avy | Randja | Mbola ho avy ny maraina soa
hitondra hery sy hazavana
hamalifaly anao tokoa
hampiseho sy hampisy fahagagana
Ho avy ny andro andrandraina
hanaovantsika ny voady sy ny dina
fa hoe hiara-dia sy hiara-miaina
izaho sy ianao, isika izao ry tiana
Ho avy ny soa, ho tonga ny fanambinana
amin'izay atao sy ny kinasanao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ianao-ihany | TSY IANAO IHANY | Fredy Jaofera | TSY IANAO IHANY
Tsy ianao ihany
no olona akory
lazaina hatrany
fa hitondra tory.
Tsy ianao ihany
no azo ambara
hanala tomany
fa efa voarara.
Tsy ianao ihany
no manana soa
hisy eto an-tany
fa be hafa koa.
Tsy ianao ihany
no azo atonina,
na mijaly izany
fa tsy foronina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/onena | Onena | Ravo | Onena
Onena anao aho ry taniko
fa ny mahaolona tontolo*
no efa simba ao aminao,
ka na hiriko sady ho satriko
ny ho zanaka mpikolo
sy hanandratra avo anao
dia hitoetra ho nofy izany
ka onena anao aho ry tany.
jereo ity sandry mba mijoro
mba ho andrin'ankohonana,
vatana mihorohoro
zara raha misy hivelomana.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edena-mna/rariny-ve | RARINY VE? | Edena Mna | Mahantra ianao ry fireneko ...
Fa misy any ho any mihinana hanim-pito loha
Jerena tsy misasatra, tsy jenitr’atsembohana
Eny misy izany,
Dia misy koa anefa raha tsy mandry fotsy dia sakafo tapa-kibo
Miasa andro aman’alina tsy miady ny ho velona fa miady ny tsy ho faty
Indrisy, tena misy izany! |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.