Datasets:
url
stringlengths 43
292
| title
stringlengths 0
91
| author
stringlengths 0
50
| content
stringlengths 31
62.1k
|
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/tsy-anjara-angamba
|
Tsy anjara angamba...
|
Elysé Azrael
|
Nahoana re ianao no nanaiky ho eto anilako,
Kanefa anie ianao tsy ho ahy akory tsinona?
Toa tsy sitrakao izany hoe ho silako,
Kanefa koa izaho tianao hofihinina!
Nahoana re izaho no dia niraikiraiky,
Ka rehefa nantsoinao avy hatrany dia nanaiky?
Efa tsy anjara: tsy ianao intsony angamba,
No tendry mba hitantana ity foko jamba...
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/noely-kelinay
|
NOELY KELINAY
|
Nic Coper Ofisialy
|
Tonga indray ity ilay noely,
Izay voalaza, fa fetin’ny zaza kely,
Mahazo kilalao avokoa ny ankizy,
Ka somebiseby, faly izay tsy izy,
Dia maka, sary miaraka amin’ny dadabe noely,
ary Avy eo miara-mifety, amin’ny dada sy Neny,
Dia misakafo matsiro, sy mahazo vato mamy,
Hafaliana re izao, tsy misy tahak’izany.
Ny ahy kosa, maso manganoano no mijery,
Fa eny amoron-dalana, no miredona tsianjery,
Manantena ireo mpandalo, mba hijanona hijery,
Ka raha toa ka hafapo, dia hanome vola kely,
Mba Hoentina ikarenjy, eny antsena eny,
Hijerena kilalao, izay mba ho azon’ity vola,
Hampifalina tena irery, hifaliana moramora,
Fa i dadabe noely, toa tsy mahita anay kamboty,
Fa amin’ireo misy atao, no mandeha mandrotsirotsy,
Asa, izay mihintsy angamba, no lahatrin’ny fiainana,
Dia ampiononona ny tena, satria mba iza no hitarainana,
Dia ny tsiky an-tavan’ny hafa, no hakana maminy ny fety,
Fa ianao mahantra sy kamboty, efa naman’izay resy,
Mofo gasy sy ambin-kanina, no ankafizina, akesoka,
Ary isaorana an’ny Tompo, fa tsy mba raisina ho lesoka,
Dia mifampiarahaba, mifanome tso-drano,
Mifampitsiky kely, dia adino ny amoamo,
Satria andro iray, miavaka amin’ny maro,
Ilay noely kely, fety mamy, tsy atakalo,
tonga indray ity, ilay noely soa,
izay isan-taona izao, dia endrasana tokoa,
tsy andry mihintsy ery, ilay andro tokana io,
hifaliana sy hiobiana, amin’ny fo madio,
dia miarahaba antsika indray, amin’ity noely ity,
samy ho tahin’ny tompo, ary samy hankafy,
fa ny anay kamboty kely moa, efa toy ny maha zatra,
Mifaly kely indray andro, dia izay no izy, samy rava…
Dia Miandry ny noely, amin’ny taona ho avy indray,
hiobina sy hifaliana, andro iray indray mipika,
hanantenana fiovana, sy valim-bavaka amin’ny ray,
mba hiara-hifaly, sy hifampiarahaba indray isika…
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/miherim-pitia
|
Miherim-pitia ?
|
Nosy Malala
|
Miherim-pitia ?
Niasa mafy izy, dia nividy poketra,
Satriny hizara amin’olondrehetra,
Saingy ilay izy toa tsy ampy isa,
Mety hisy alahelo sy hitsiriritra.
Nantsoiny mitokana ilay iray nofinidiny, tanatin’ny maro, iray mba safidiny.
"Avy amin’ny fo fa zaho tsy dia manana".
Hoy izy nanolotra ny kely teny antanana.
Hay tanteraka tampoka ilay efa nahiany,
" Zahay adino" , toa feo manome tsiny.
Niezaka ihany mba hoe tsy hisy ahita,
Kanjo nivara mena sy nipitrapitra.
"Andray " hoy ilay namana iray,
Izay tiny kosa io, fa maninona kay,
Amin’io ny anareo toa tsy sangisangy
Fa tena malahelo, mandrangitra azy.
"Rehefa sahirana izy, zahay no antsoiny,
Avy eo olonkafa no omeny ny fony...
Mila mitsotra fotsiny rehefa tsy tia,
Manao fila-tsy mahita, mihasara-velatsihy."
"Safidiny io k’izay tiny kosa no atao,
Mahatsiaro tsy tiana, andray ! izato ianao.
Mitady fitiavana toy ireo ankizy,
Malaky midongy sy manao kirizy".
Tsara ny manome noho ny mandray,
Eto ilay manolotra toa sahirana indray,
Maro ihany isika no tsy ampy fitia,
Malahelo lava dia hoe miherim-pitia.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-andro-iray
|
TSY MISY ANDRO IRAY
|
Fredy Jaofera
|
TSY MISY ANDRO IRAY
Tsy misy andro iray
tsy ahatsiarovako anao
raha toa ka tsy hay
ny iainana fa te hilalao.
Tsy misy andro iray
tsy anembonako anao
raha manina indray
ny tena re fa tsy tsaho.
Tsy misy andro iray
tsy ikarohako eto ianao
raha alahelo mivay,
nanonjaonja tao ho ao.
Tsy misy andro iray
tsy anofisako koa anao
raha toa indraindray
hafahafa mila tsiky vao.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ananako
|
GOAVANA
|
Fredy Jaofera
|
GOAVANA
Ny fitiavana
izay ananana
ato am-poko
dia goavana
hananganana
fitia tsara loko.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanantenana-tokana
|
FANANTENANA TOKANA
|
Fredy Jaofera
|
FANANTENANA TOKANA
Niova atody lamokana
ny nisy fa tsy hanihany
ka nahaketraka mora ;
ny fanantenana tokana
dia mbola ianao ihany,
na tojo alahelo ny ora.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/faniriako-izao
|
FANIRIAKO IZAO
|
Ny Andrianary
|
Ny faniriako izao,
izaho mahita asa ampy hahavelomako, ireto ankohonako
na mora io na sarotra
Ny tiako tsy hivarotra ny kely mba ananako hahazoana vola
Fa satriko herin-tanako na ny herin-tsaiko
no hahazoako tambiny na tombony ho an'ireo aiko.
Kanefa tsy izay tiako no afaka hahavita ny nofinofinay
Indro izao namidy ny tanimbarinay hanefana ny saram-pianarana sy fitaovana rehetra ho an'izy dahy.
Betsaka ny tiana fa goavana ny sakana,
Mantsy be ny mahamay, be ny mahaporitra
Kanefa dia izao, misy tena tiana sy tanjona kendrena ny ao ambadika ao
Misy fifaliana dimbim-pahoriana mbola ho fiainanao.
Fa aoka ianao zanako hahatsapa ny androaniko
Ka hanova ny tantara ho fiainana tena mamiko rehefa mba tafita.
Izay no faniriako,
Hahita antsika sambatra, mandram-pikimpiko.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/nofy-nantenaina
|
NOFY NANTENAINA
|
Mahalia❤✨
|
''NOFY NANTENAINA''
Mbola tsy ary akory ianao
dia efa fantatray mialoha
Ny teboka amam-paingo
amin'ny sori-dalanao
Eny,fony mbola nofy ianao
ary aina nikoriana tanaty rany koa
dia sahady nisy ainga
sy Fanahy nitepo ho anao
Ianao ilay sombinaina
hamelona indray
ny taran'ny fanjava
natelin'ny ali-maro
Masoandro vao maraina
hibaliaka an'efitray
ilay zaza menavava
nateraky ny kalo
Nanjary tonga nofo
Ilay kely nofinofy
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/any-i-malala
|
ANY i MALALA
|
Mahalia❤✨
|
Any i Malala❤✨
Inoako marimarina fa mahatsiaro koa ianao am'pamakiana ity hafatro eto ity
Ny vaovao tsy misy loatra fa toy 'lay omaly ihany
Tsy mbola nisy niova f'izaho sy ny alahelo no mifampitady aty
Manao fangalam'piery amin'ny tsiky sy tomany
''Fa manina anao mafy''
Anio izao toa tsy ho tanty
Ny hamisavisa irery hoe isika tsy hihaona kanefa fetinao
Na oroka sy fihina aza izany izao tsy ho atao?
Fa fotsiny eto an'jotra no mideliralira sy mandoatra ny ao am'po
Dia an'eritreritra ao no maka sary an'tsaina ny aniontsika roa?
(Raha teto izao ianao
Mba nanao izao sy izao
Raha samy teto izao isika
Maro be ny zava'bita)
''Saingy nionona ho nofy''
Rediredy akia Malala izay nataoko am'pononteny a
Fa mirary soa indrindra dia etsy omeko mamikely???
Hoy ilay tsy manadino anao.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/m%C3%B4lam%C3%B4la-kely-maditraditra-kely
|
Môlamôla kely, maditraditra kely
|
Elysé Azrael
|
Môlamôla kely, maditraditra kely,
Kanefa tsara endrika, sy manja kely ikala,
Toa latsaka eto an-tany, santionan'ny anjely,
Ka babony ny foko, te hiantso azy hoe malala!
Môlamôla kely, somary misariaka,
Raha sendra eny ho eny, mampiherika mpandalo...
Izany izy raha mitsiky, toa volana baliaka!
Ny sendra itsikiany, mahasora-tononkalo...
Môlamôla kely, somary bada lela,
Mahay mandagolango, mahay miangotingoty...
Ny iray minitra anilany: satry foana ho ela,
Fa voninkazo kanto, ka mampi-te hioty!
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/raha-toa
|
Raha toa...
|
Herilanja RANDRIAMANGA
|
Raha toa ka anaty nofy ihany,
No ahitako anao mitsiky,
Dia aleoko foana ihany,
Tsy mifoha mihitsy.
Raha toa ianao mbola mahatsiahy
Mahatsiaro ny fisiako,
Dia aza asina ahiahy.
Antsoy ihany aho fa hovaliako.
Raha toa ianao ka tomany,
Na koa mahatsiaro irery,
Miantsoa foana ihany,
Fa hoavy aho hankahery.
Raha toa ianao ka lavitra any,
Na hosarotra aza ny dia,
Dia tsy maintsy hotongako ihany any,
Raha izay no ahitako an-dry.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hafa-foana
|
HAFA FOANA
|
Fredy Jaofera
|
HAFA FOANA
Fantaro ny tena lalàna
marina sy tsy mety atakalo
raha te hivoatra na hihavao :
rehefa tsy tiana hovana
eto amin'ity fiainana mandalo,
tsy maintsy hafa foana ianao.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/ny-harenako
|
NY HARENAKO
|
Mahalia❤✨
|
NY HARENAKO
Anaka,indreo ianareo zanako
Aina avy amin'ny aiko
Loharanom-pahasambarako
Ny isan'androko kasaiko
Hikelezako aina fatratra
Hitozoako foana foana
Tsy sasatra aho mikatsaka
Raha mbola misy ny fotoana
Hahafahako manambatra
Ny herim-poko manontolo
Dia mbola vonona aho hijoro
Na efa trotraka sy lanaka
Fa i Neny sombiniaina
Tsy mba manana antenaina
Tsy mba misy hifaharana
Tsy mba zanaky ny mpanana
Tsy misy lova be zaraina
Tsy misy tany ivalamparana
Fa ianareo sombiniaina
No tena harena hisasarana
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ilay-sivanjato-very
|
Ilay sivanjato very,
|
Nosy Malala
|
Ilay sivanjato ( euros) very,
Satrin’i "Dylan" hono ilay sivanjato "euro",
Nanaovana asa soa toy izay lasa "zero"
Nihevitra izy mantsy, fa tsy mba nisy,
Nihantra, nividy tapakila ho "andRalisy".
"Soa valihy" moa dia mbola nanamafy,
Ny tao antsainy hono, dia saika hanampy,
Maro loatra tampoka ireo namaly antso,
Ka lasa niterak’olana, disadisa, asoaso.
Tsy hidirina lalina f’aleo ny tribonaly,
No hitsara fa isika toa zatra mifamaly.
Naleo ilay vola hono nanaovana asa soa,
Toy izay very fotsiny, noho ny kitoatoa.
Raha ontsa azy ny fo, dia manaova soa,
Faniriny izany ny hitsinjo ny hafa koa.
Marimaritra iraisana, samy miezaka kely.
Manao asa soa amin’ity andro Noely.
Efa aman’arivony ny mpanohana azy,
Ka manampy ny osa, asa firy ariary avy ?
Eran’ny Madagasikara amin’izato Noely,
Dia ho lasa avo heny, ilay sivanjato very.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asaphs-mahane/tsetsatsetsa-tsy-aritra
|
TSETSATSETSA TSY ARITRA
|
Asaph's Mahane
|
Izany ka tsy mba nisy notantaraina
Na Reseau, na expression nantenaina ;
Marina fa ity no tena taolan-gisa,
Tena sarotra, nanao ahoana izy tao ry Melisa?
Asa re raha mbola tahaka izany!
Ity rahampitso, fa toa mampitomany ;
Texte be tsy hisy mety atao tsianjery,
Ry Ando nefa mety mahay tsy anki-jery
Repechage varoboba, izay no azo ambara ;
Raha izany no varotra frip de ry Dox tsy mba tara
Fa mba eritrereto oe Kala Santatra no miandry omby ry BArea
Dia sur et certain, ataovy veloma ny google sy wikipedia.
(fahatsiarovana ny tany amin'ny Université)
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-manam-pitsaharana
|
TSY MANAM-PITSAHARANA
|
Fredy Jaofera
|
TSY MANAM-PITSAHARANA
Tsy manam-pitsaharana
ny tsiahy mifono alahelo,
na izao ity fandaharana
izay, hoe, tsiambaratelo.
Tsy manam-pitsaharana
ny nofy foana antenaina
fa mibaby hasambarana
mamelombelona aina.
Tsy manam-pitsaharana
irony mba hirahirantsika
vao inty manarangarana
ny tanrara mahasariaka.
Tsy manam-pitsaharana
ny fitiavana efa niainana
fa efa tonga fahazarana
tsy manam-pahalainana.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randja/lafatra
|
Lafatra
|
Randja
|
Tsy haiko ny hilaza ny hafatra
na koa hoe be safary hanatsara
fa ny eo anilanao no tonga lafatra
tsara kolokolo sy vita karakara
Tsy dia be filaza aho, fandrao
hamorona ny tsy misy, mety hanahirana
aoka ny maso mijery no hitsara anao
ianao no lafatra tsy azo hifandirana
Tsy vao omaly aho no nandinika ny zava-misy
efa ela aho no namadibadika ny zava-miseho
ianao no tazako, ianao no mahitsy
tsara bika, soa toetra tsy mankaleo
Tsy atao lava angamba ny korana
mbola maro no tiako holazaina
vao nahita anao aho dia tamana
ny eo anilanao foana no masaka ao an-tsaina
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/vetso
|
VETSO
|
Ravo
|
VETSO
ny vonin-draozy tena tsara
dia ilay mivelatra maraina,
mandefa hanitra hanambara
ny fiaraha-miombona aina.
fa ny raozy tsara indrindra
dia ilay fo miaina sy mitempo
ka fitiavana voarindra:
na lavitra aza dia avetso.
Ravo, in Aika, takila 82, Antananarivo 21 Mars 2022
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-kala
|
RY KALA
|
Fredy Jaofera
|
RY KALA
Ry kala, mieritrereta
fa aza mamely moa,
rehefa tsy hetaheta
ny tenako, mirosoa.
Ry kala, mieritrereta
fa izay notontosaina,
misy tody, mahareta,
ka dia hampangaina.
Ry kala, mieritrereta
fa ny very sasaka any
ho neninao ka ny feta
zara raha ampy ihany.
Ry kala, mieritrereta
fa mbola lavitra ny dia
ka hoy aho : mireheta
ho hazavana ho doria.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/andry
|
ANDRY
|
Mahalia❤✨
|
"ANDRY"
Tsy hoe tena tonga lafatra sy tsy misy tsiny akory,
Fa ampy ho "Andry" iankinako amin'ny sisa tombon'androko.
Tsy anjely velively izy fa mahavita mampitony;
Mampitsiky,mampitraka raha sendra maloka ny tavako!!!.
''Andry'' mampijoro ahy ho marina famindra,
Mamikitra ny tanako sy tsy mamela ahy hiady irery...
Arofanina mametra ny diako tsy hikombimba!
Dia...fanalahidim-piainako amin'ny ho avy mistery.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mitia-anaty
|
MITIA ANATY
|
AORN
|
Ilay fihetsikao nianjona
Nangarika fijery
no sary tato an-tsaiko
tsy niala na voakosoky
ny andro nifandimby...
Ka moa tsy adaladala
'ty foko te hamafa
no lasa te hidoboka
hikiry te hamantatra
ny mombamomba anao?
Sa izany ilay lazaina hoe
rehefa tia "adala"?
Ny saina tsy manaiky
fa ny fo tsy te hahalala?
Fa hay mandoaka tratra
No sady koa mandratra
toa mila tsy ho tanty...
lay hoe "mitia anaty"
Loza!!!!
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/mamiko-ianao
|
Mamiko ianao
|
Elysé Azrael
|
Mamy loatra mantsy 'lay teo anilanao,
Mamy loatra koa ilay nofihininao,
Mamy loatra koa ilay notiavinao,
Mamy loatra ianao: ianao, ianao...
Ka raha mahatsiaro anao aho, dia aza omena tsiny,
Fa tena mamy loatra ilay orokao fahiny...
Tena mamy loatra 'lay omenao tambitamby,
Tena mamy loatra 'reo tsiky sangisangy...
Mamy loatra koa 'lay fahatsoranao:
F'ianao rehefa tia, dia tena hoe nitia...
Fitia mamy loatra ilay natolotrao,
Fitia tsy mety ho ritra mandrakizay doria...
Mamiko ianao, ka sarotra hadinoina,
Mamiko ny anaranao, satriko foana hantsoina...
Mamiko ny nofiko rehefa misy anao,
Mamiko ianao, satria 'zaho tia anao!!!
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/misaotra-anao-nitia
|
MISAOTRA ANAO NITIA
|
Mahalia❤✨
|
MISAOTRA ANAO NITIA
Mirary ho anao ny lafatra tsy hahitan-tomika
Dia maniry anao ho sambatra amin'ny lafiny rehetra
Tsy nisy nanenenena raha ireo zava-bitantsika
Tantin'ny aty foko izany...fa izaho ange poeta e!
Tsy hanozona aho akory na koa handeha hiantso tody
Fa io rehefa tsy mety tsy azontsika atao ahoana
Ny saina ve tsy harary saingy miezaka mitony
Tsy ampahafirin'ny efa nentina io ka zaka foana foana
Tsy misy resabe na koa sosohana taria fa...
''Aleo faranana ny antsika dia misaotra
anao nitia''
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/nofy-ratsy
|
NOFY RATSY
|
Mahalia❤✨
|
''NOFY RATSY''
Mety hoe maharary ilay miaina tsisy anao
Anatin'ny andro tsy voafetra na amam-bola-maromaro
Mety hoe tsy tanty ilay mandao ny tratranao
Saingy,tsy nahaleo ny voady ireo fisedrana izay nandalo
Iza moa no hanam-po ny lalantsika tsy hitohy?
Raha nanjohy ny tantara sy ireo zava-nisy teto
Na isika aza mba nino fa efa anaty raki-pohy
Ka inona hidona, tsy hampanahy na hampisento
Fa nofy ihany sisa izany rehetra rehetra izany
Nofy ratsy iray minitra ...nampivadika ny tany
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/nofy-nantenainaf
|
NOFY NANTENAINA
|
Mahalia❤✨
|
NOFY NANTENAINA(F)
Misy ampaham-pahazavana mitsilopy any ho any
Taratra mamelona ampahana fisiana
Tsy haiko izay ho entiny na ho tsiky na ho
tomany
Fa eto aloha ny foko mihiaka fifaliana
Tretrika sy faly...midera anaty Mpahary.
Mamisavisa ny ho avy rahatrizay ianao ho ary.
Sambara Sombiniaiko fa neny hiady ho anao
Tsy hamela anao ho irery na ho mora na ho mafy
Ka na tsy ho ''paradisa be''aza no hitsenana anao
Tsy anaty voambolako ny teny hoe:''Isika mila miafy''
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/ho-anise
|
HO AN'ISE
|
Mahalia❤✨
|
HO AN'ISE
Tsy volamena ny fitiavako fa afaka mamiratra raha toa ka ho an'ise
Tsy sarobidy lavitra mihoatra noho ny ainao
Saingy...afaka miantoka hasambaram-be dia be.
Tsy mahay manao izao sy izao ho tambin'itsy sy itsy
Dia tsy mahatakatra ny volana ho ataonao kilalao
Fa mana(na)m-(f)po midanadana tsy misy mponina mihitsy
''Fa ianao irery ihany no tiany hibahan-toerana ao''
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/fanahy-tia-tena
|
FANAHY TIA TENA
|
Ny Andrianary
|
Tsaroako hatrany hatrany 'lay prôfy malagasy
rehefa injay aho ka manoratra mandray taratasy...
Fa hay tokoa ka mafy ny andevozin'ny fanahy!
Toy ny tromba lahy!
Ankisendrasendra, tsy ampoizinao iny no hiaviany
tampoka...
Tsy maintsy ianao manaiky,
fa kibay am-para hatoka
aza mafy,
rehefa ianao tsy mety!
Hianao raha te hatory
hamitsaka amin'ny alina,
Tsy asiany dika akory
fa "miarena" hono "miarina".
Ary ny ankehitriny no tena mba tsy tiako,
Mba andro fifaliana natokako hifaliako...
kanefa tonga izy,
ary tsy nanaiky mihitsy fa amboletrana betizy...
Ilay tiako anefa tany ho any,
efa sasa-niandry ilay fotoana hoe hampiaraka...
Mantsy aho tam'zany,
te hitsoaka koa fa tsy afaka e...
Inay aho mantsy ry 'lay fanahy adala,
Tsy nihavian'lahy, dia nahazo fahafahana...
Niezaka ihany aho niala
saingy hery efa lefy zary tsisy fahatanjahana...
Tsy tompon-tena intsony,
Toy ny mamona rongony,...
Tsaroako ankehitriny, tsy hoe angambangamba...
fa raha ianao aloha ny vady?
aleoko tokan-tena tsisy rirotra amin'ny sanga...
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/afaka-aho
|
AFAKA AHO
|
Mahalia❤✨
|
***Afaka aho***
Ohatran'ny hoe tsy za lay matimaty be
Sy tsy naharay lamba vao nolalovan'ise
Ohatran'ny hoe tsy za lay saika lasa adala
Sy nirediredy hoe :''Ahy irery ianao Malala ''
Ka inona midona na inona mitranga
Tsisy miala zany eo fa ny ahy ny lanitro efa manga.
Dia iny aho tsy naharay lamba vao monja sioka tokana
Dia lasana nitrifana ohatran'ny hoe aliaka voan'ny haromotana
Fa eto aho te hiteny hoe:''Sera efa taloha zany ''
Tsy misy zava patako raha misy manontany hoe:
Sipan dry moa i anona...?
Mody odiako fanina
Fa ny ahy izao zavatra hafa mihitsy no hany tarigetrako
Tsy misy hiasako saina ankoatran'ny hoe:Oay... tsisy vola kay ny poketrako.''
Dia aiza indray no hahita harotsaka
Fa fongana sy ritra ny tahiry saika ho atosaka.
''Afaka aho''
Tsy afakafa poana fa tena afaka fatorana
Taloha vao tsy mahazo hafatra dia mivikavika kely sy mitady hanangan torana
Dia lasalasam borona vao tsy tafahaona tapak'andro.
Misaringo-boro-damba sy tsy mahasolo akanjo
''fa lasa adala anao''
Saingy efa afaka aho izao
Tsy misy anao intsony eo amin'ny fiainako
Tsy fitiavana intsony izao no hitomaniako sy hitarainako
''Fa nifiko rehefa marary''
Ohatran'ny hoe tsy za ilay babonao omaly
Ohatran'ny hoe tsy za ilay nitia anao fa sary
Ohatran'ny hoe tsy za lay saika lasa adala
Ohatran'ny hoe tsy za lay niantso anao Malala.
***Afaka aho***
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/laha-janahary
|
LAHA-JANAHARY
|
Mahalia❤✨
|
Raha ny fisarahanay no ataonao fifaliana?
Dia saotra sesehena no atolotra amin'ny fo
Lazaiko marimarina fa iny tsy niriana
Fa ''LAHA-JANAHARY'' ka tsy maintsy ekena moa
Ny nofo no nisaraka sy voatery nifandao
Fa ny ambiroanay kosa mbola miara- dia hatrany
Miaina fahasambarana anaty ''Edena'' vaovao
Ny ''avelo sy tiany'' mamoro-nofy mamy
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/tsingerintaonako
|
Tsingerintaonako
|
RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
|
Tsingerintaonako
Andro sarobidy, miavaka
Ka indro atomboko ami(n'ny) vavaka,
Tonga taona aho mantsy androany,
Ka faly, mirana aok'izany:
Deraiko Ianao ry Ray Tsitoha,
Nivimbina ahy, namafy soa;
Fa tombon'andro avy aminao,
Izao tanteraka anio izao.
Raha itodihako ny lasa,
Dia tsapa ho kely izay kinasa;
Raha ny ho avy no iasan-tsaina,
Toa valalanina ny aina.
Ka ny androany no ifantohako,
Izay no zakan'ity lohako;
Ny anio no ananako fanilo,
Hanazava ahy sy hitsilo.
Tsingerintaona sadasada,
Iheveran-tena ho tena dada;
Nefa mihoatra am(in)'ireo zoky,
Toa zaza mbola mila toky.
Fa taona vao manasa-dalana,
Ikatsaham-piadanana,
Ho an'ny taranaka amam-para,
Vao fiantombohan'ny tantara.
Tsy adino koa 'reo ray sy reny,
Sy ny adidy am(in') izy ireny;
'Zao no ahatsapana ny ady nianany,
Fa vita tsy mba nitarainany.
Ho an'ny sasany hoe "krizy",
No atahorana izaitsizy;
Tsy ahoako raha izay ny anao,
Fa raha ny ahy dia toy izao:
Taonan'ny fahafenoana,
Mana-tantara ara-pinoana,
Fiomanana amin'ny Fandresena,
Fanangonam-pahendrena.
Amen!
JJR. Cherbourg, 17/10/2025, 04:40
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/salamonny-fanahiko
|
SALAMON'NY FANAHIKO
|
Mahalia❤✨
|
SALAMON'NY FANAHIKO
Ry Lanitra mangina mpitsinjo fo fanahy
Antsoiko ianao hitantana 'lay tokana nekeko
Esory tao anatiny ireo fonjan'ny ahiahy
Fa feno sotasota raha ny tany diavina eto.
Ampianaro izy hahay hamindra amin'ny lalana mahitsy
Tariho amin'ny faharetana sy fahendrena koa
Tafio ny herinao tsy ho kivy mihitsy mihitsy
Raha azonao atao dia omeo fiadanam-po
Tsy ho azon -tebiteby fa ho tony sy hatoky
Handeha an-kasahiana hanenjika ny tanjony
Mba hazavao ny diany raha sendra mitsilopy
Ary ho am-pelatananao ireo sisa tombon'androny.
*Salamo=tononkira sy vavaka.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/anaty-nofinofy
|
ANATY NOFINOFY
|
Elysé Azrael
|
Anaty nofy mamy, misy nosy iray
Nofisiko mazàna fa hoe tontolontsika,
Tontolo nofinofy, fa nofy mba voaray
Ho ampaham-pahasambarana amin'ny tontolo tsy hita..
F'anaty nofinofy, libra ny foko,
Libra tanteraka: afaka manidina,
Afaka mandresy ny sento sy toloko,
Any amin'ny avo indrindra ny fanahiko vao midina...
Anaty nofinofiko, misy ilay zaridaina,
Zaridaina miafina tsy hitan'ny mpahita,
Ao no manamaivana ny sorisorin-tsaina,
Ao no tonga lafatra ny hasambarantsika...
Anaty nofinofy, tontolo tsy mampino,
Ny andrefana, atsinanana, avaratra, atsimo,
Mamiratra diamondra, mamerovero hanitra,
'reo kintana mandravaka ny alina eny an-danitra...
Anaty nofinofy, raha toa ka sitrakao,
No hanorenantsika ilay akany mamy,
Fa tsisy maharava izay voaorina ao,
F'anaty nofinofy, tsy resin'ny eto an-tany...
Anaty nofinofy, nofinofy iray,
Ao no aorintsika ilay mandrakizay,
Anaty nofinofy isika no miray,
Miray anaty nofy, miray am-panahy:
Satria izaho nofinao, ianao koa nofy ho ahy!....
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/tsy-ho-hisy-itovy-amiko
|
TSY HO HISY ITOVY AMIKO
|
Nic Coper Ofisialy
|
Maro ny mety hahasolo ahy, tsy laviko izany,
Ary Betsaka ny fakampanay, meran-tany,
Maro no te hiditra, sy afaka isafidianana,
Afahanao mihevitra, fa mendrika hanariana, ny efa eo an-tanana.
Fa tsarovy fotsiny, fa tsy hanakana aho, raha toa ianao andeha,
Ary ny ho soloko, efa aiko ihany koa , fa ho de dia be,
Saingy na misy aza ireo, tsy ho hisy itovy amiko,
Ho hitantsika eto, fa raha diso izany, dia havereno amiko.
Rehefa mbola eto ianao, dia hiaretako, hiafiko mafy,
fa raha miala ianao, tsy hitazona aho, ary sanatria ny higafy,
satria, fady ahy ny mitalao, fitiavana amin’olona,
ka raha nifidy, ny nitsoaka ianao, dia aiko no mionona.
fa sanatria amiko, ny hoe : mbola hifamerina,
ka raha nisafidy ny nandeha dia, tohizo hatramin’ny farany,
Fa raha ho tonga ny andro, iny ianao mahatsapa nenina,
Dia ventsoy fotsiny hoe : hany izay ilay, nahitako maminy…
Efa manome aho, ny soa sy ny tsara, izay noambaninao,
Ho an’olon-kafa, nahay nankasitraka, ilay tsy ainao,
Amin’izay fotoana izay, dia ho tadidinao, ny andro androany,
Izay nialanao, sady nanamaivana, ny foko nitomany.
Ary ho hitanao , fa tsy ho hisy ny hazaka, ireo toetranao,
Miohatra, noho ireo niaretako, isanandro izao,
Tsy ho isy ny hahavita hanome, ireo azonao taty amiko,
Tsy farateny sanatria, fa ho tsaronao, ny rehetra vita tamiko.
Satria, averiko ihany, fa na maro no hanolonao ahy, anio,
Ny hitovy amiko tsy ho isy mihintsy, izay dia tadidio,
Misy ny tsara, miohatra lavitra amiko, tsy laviko izany,
Fa tsy ho hisy toa ahy, ka samy ho hitantsaika eny, foana ihany izany….
Raha tonga ny fotoana, ka izay ianao vao hiverina,
Dia mijanona havy hatrany, Ka tsakoy aloha ny nenina,
Fa ny hoe hiverin-dasa, sanatria dia sanatria,
fa avy hatrany dia veloma, ary ho mandrakizay doria…
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/rima-mifanjohy
|
RIMA MIFANJOHY
|
Mahalia❤✨
|
RIMA MIFANJOHY
... ''setrin'ilay riankalon'i Ny Kintana Fitarikandro hoe: MIADY RIMA''...
Rima mifanjohy
Fa tsy mifankafoy
N'inona hasomparana
Nanavatsava lalana...
Dia mbola indreto isika roa
Hatrany miombom'po
Mifaningotra am'panahy
Mifampitony ahiahy
Satria 'lay Teny nanan-jina
No Lasa tononkira
(Hiombonantsika feo)
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/androany-maraina0
|
Androany maraina!
|
tsiolaka
|
Tao ambany tetezana androany maraina?
Loza lehiretsy! ... dia nahoana loatra?
Fa dia nisy nanary an'ity sombiniainy,
Mbola zaza miraikitra amy tadimpoitra
Ireo izay nahita dia samy nitsetra
nahita ity vatana kely afaka aina
Nanatsiny ny reny ny rehetra rehetra
hoe olon-tsy vanona tsy misy saina
Fa olon'iza loatra ary itony?
Hoy ireo tezitra,nivaky nanozona
Tena efa biby mifanahin-demony
Tsy mendrika ho velona fa fanapoizina.
Fa ny saiko dia lasa,naniry ahalala
fa toa tsy mba misy nanozona an-drainy?
izay tompon'andraikitra tsy afaka miala
amin'ny fahafatesan'ity sombiniainy!
Tao ambany tetezana androany maraina?
Noho ny anjorian'ny ray sy ny reny
dia zaza vao teraka no afaka aina
Ry Ray ao ambony ô!mamelà azy ireny.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/izaho-sy-ianao
|
IZAHO sy IANAO
|
Ny Andrianary
|
"Ianao" no mba avy eo rehefa nisy "izaho",
izay aloha vao "izy"!
Fa ny nahavariana,
ilay "izaho" talohanao toa tsy mionina ny saina
fa "ianao" manaraka azy no manalokaloka azy,
manaitra ny ambiroany,
Manetsika ny lohany,
mandòna ny ati-fony
ka manaitra ny fitiavany.
Dia nisy "izaho" sy "ianao"...
Nodinganintsika "izy" fa
tsy navelanao ny masoko aza hitazana
na aza dia efa liana ny te hanarangarana.
"Ianao" no nahafehy ny "izaho" rehetra nisy.
Ka nony ireo nitambatra dia hary koa "isika".
"Isika" roa namaky ny fianantsika roa,
"Ianareo" avy eo no lasa mba ho namako, mandritra ny andro hiainako: "ianao" sy ilay vahiny vokatry ny "isika".
"Izy Ireo" no zanantsika.
Handova ny "izaho", handova ny "ianao" !
Hahita ny izahony
Hahita ny ianaony
Tahaka "isika" izao.
Izaho, Ianao, Izy, Isika, Ianareo, Izy ireo.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/diso-fiantefa
|
DISO FIANTEFA
|
Mahalia❤✨
|
DISO FIANTEFA
Noheveriko ho mba tena izy ilay fitia natolony ahy
hay lemy paika tsara drafitra namatorany ny foko fotsiny
Izaho moa tena tia ka dia natoky tsy nanahy
saingy ny azy sarisary fa tsy izaho no tena tompony
(raha ny ao am-pony no haboraka)
Angamba vakiraoka nataony hanjaran-tena
na fotsiny toa "avana" niriany hanaingo ny habakabany
Fa teto dia nazava ny mena ambany mena
f'efa olon-kafa mihitsy no nandroba ny fitiavany
(f'izaho no te hiantoraka)
Ry foko kely saina...impiry ianao bedesina
impiry koa nomena lesona hahaizanao mamindra
fa eza-bery maina ...izao ianao rafesiny
dia vonton'ny tomany,kanefa ianao indrindra...
(ilay tokony ho sambatra fa tsy mendrika an' izany)
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/hamela-anao
|
HAMELA ANAO
|
Mahalia❤✨
|
HAMELA ANAO
Ny fahatsapako tena hoe izaho koa tsy tonga lafatra
No manosika ny foko ''hamela anao'' sahady.
Tsy noho ianao hoe tiako na hoe izaho no tsy mahasaraka
Fa tsy atao handrava kosa raha 'zay resaka adiady.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/izaho-sy-ianao
|
IZAHO SY IANAO
|
Elysé Azrael
|
Tena tiako be
Raha toa ka hoe
Zaho sy ianao
Hanorina tontolo vaovao...
Dia izaho sy ianao
No hiara-honina ao,
Ka tsy intsony
'Reo lonilony,
Fa ho hasambarana hatrany...
Dia tena ho sambatra tokoa,
Ny fiainantsika roa... ho soa...
Raha toa ianao anilako...
Ny anio, ny hoavy manontolo
Ho tonga lafatra
Hamiratra ho soa:
Raha toa isika roa...
Manahy aho nefa tia,
Nefa tena tia,
Raha isika samy tia:
Ny antsika ho doria...
Tontolo lafatra,
Tena sambatra,
Raha izaho sy ianao
Tsy mifandao: ny tontolontsika ho tontolo vaovao
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/tsy-rediredy
|
TSY REDIREDY
|
Ny Andrianary
|
Tsy rediredin'ny tia
akory ny fitoriana lava izao,
fa noho ny herin'ny fitia
dia babo izy ka manao.
Tsy rediredin'ny manina
ny mivetso hira malahelo,
fa fitia te hitakarina
no indro mampamelovelo.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/tao
|
***TAO***
|
Mahalia❤✨
|
***TAO***
Tanaty "DIAMPENINAO" no narindranao ho kanto ny misinao rehetra,
Ny misinao rehetra izay voatemitra tantara sy tsiambaratelo maro!
Tsy hary takatro visaina fa "FOTSINY" aho mamaky dia efa mangetaheta.
Toa sahady "IRAY LAMBANANA" kanefa mpivahiny sy olona mandalo.
Tao* no nahanjakao ny tontolo iainanao sy ny mistery rehetrany,
Tao* no narafitrao "NY HIRA KANTO INDRINDRA" mba handrotsy ny ory am-po
Tao* ianao no nivoady ny hitia mandramaty sy koa tsy misy fetrany
Tao* ilay "FANAFODY FARANY" no nentinao nitsabo ny fitiavanareo roa.
Dia eto aho resy lahatra fa ianao dia ianao tokoa no ilay "POETA HAFAKELY",
Ilay mpahay fahagagana sy manana ny heriny
Fa ny raho-mitatao sy ny haba-matro-doko aza mba nanjary "MAVOKELY"...
Vao monja nolalovany sy tojo ny fijeriny.
(tao*= tanaty "DIAMPENINAO")
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/loza-ity
|
Loza ity...
|
Ny Andrianary
|
Mitaika moramora ao ambon'ity trano ny orana vaventy
Mitondra fakofako sy loto sesehena ity lakan-drano ity
Ilay jiafotsy sy fanitso aron'ity tafo moa rava vetivety
Ary tonga dibo-drano ny tanatiny rehetra, tratra ireo lovia.
fa inona ary ity? Inona daholo ireto zava-mitsingevana manerana ny trano?
Fofona tsy fofona, sy maloto avy aiza ireto nentin'ity rano?
Fa nahoana koa no lasa difotra ny fatana...
Andriakaky ô, ilay saosisy tsy nandramana, tsy hita ny vilany...
Mitsapatsapa ihany fa maloto indray no avy any...
Kiririoka tsy mijanona no re, sy antsoantso
misy zazakely very... fa mety lasan-drano...
Loza izany marina, tena hoa nidiran'andro
Rehefa hoe hanorin-trano dia aleo mba toerana avo.
Na koa mba manontany izay mba azo hanorenana
fa izao ity iray ny maloto sy fonenana.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandry-kely-mitempo-fitia/mitia-mangina
|
MITIA MANGINA?
|
Zandry kely Mitempo Fitia
|
Misy olona mitia mangina
Fa tsy sahy miteny
Dia tazominy hoazy irery
Na dia miaina fangirifiriana
Ny ao an-tsaina lalina
Fa hoe hiteny mivantana
Dia indro fa misy sakana
Sakana hilaza ny marina
Dia mitia mangina foana
Fa tsy mba sahy mamboraka
Satria matahotra sy mivoraka
Dia indro fa lany fotoana
Tsy omena tsiny anefa
Ireo olona mitia mangina
Sao mantsy tsy ho tiana
Sao mantsy ho diso fiantefa
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joharyfenosoa/jesoa-tia-anao
|
JESOA TIA ANAO
|
joharyfenosoa
|
tia nao Jesoa ry namako mahantra, , tia anao Izy ary vonona hampitraka, ny olana mianjady fahoriana mahazo anao, tsarovy fa Jesoa hoavy faingana hamonjy anao. Ry namako mahantra aza mamoifoy raha eto an-tany, fa Jesoa tia anao banjino fa izy no hamafa ireo tomany, Ao Jesoa fitiavana mpamonjy nahatoky, ka makanesa re rahavana fa ho raisin'IZY Tompo. Ilay JESOA kampiteny anie vonona handray anao mihitsy, Ny fahotanao marobe ho levoniny tsy ihisy. mahereza matanja, raiso Jesoa ho anao, manatona mibebaha ,hitoeranao tsy amin'ny ahiahy.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/mianara
|
MIANARA
|
Ny Andrianary
|
Nomeny anao ny tany,
Dia ao ianao manovo ny atao hoe fahavelomana.
Saingy nisy foana ihany
Nentim-bitan-dratsy naka samirery ny tombotsoa iombonana.
Nasiana ny fianarana,
Ho ampinga enti-miady amin'ny fanambakana
Fa ao ireo tsy manana
Tsy mba nanovo izany ka nobadoin'ireo nahita fahalalana.
Nankaiza ireo takalo,
Antom-pivelomana sy vonjy aina mahaefa adidy?
Tsy misy mahatsiaro
Fa natakalo varotra ho fanjakan'ny vola sy izay mety ho sarobidy.
Ny kolontsaina teto
Nohamavoina ho ratsy mba hidiran'ny an'ireo vahina,
Ka ny mpanefoefo
Manambany ny ambany, toa saina mifanipaka no hita ankehitriny
Dia aza gaga isika,
Fa be ny fahantrana iainantsika gasy ambany fahefana,
Gasy anapitrisa
No indreo miandry mana,manantena fahagagana.
Taloha ny fihavanana
Nanjakazaka mihitsy nahavitsy fahavalo sy nahamaro tombontsoa.
Fa izao na eny an-dalana
Mitandrina sy mailo,be ireo dahalo,ny asa ratsy hafa koa.
Satria potika ny maha gasy
Natao ho rehareha sy hahitana fandrosoana !
Izao ny iray aina sy ny iray vatsy
Efa tenin'olom-bitsy tsy nanaiky ny nobadoina.
Mitady asa ianao, eto fa tsy andafy
Fa adinina aminao ny fahaizan-tasatasy sy ny teny hafa tsy haiko !
Izany no takiana ho hain'ny Malagasy
Fa ny angady sy ny tany tsy mahavita anao ry Sombinaiko.
Ka etsy mianara,
Fa io no tena tohatra hiakarana ho tafita !
Milofosa tsara
Ho tonga harena miafina tsy misy afaka mahita!
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/hiranny-anjelyhiranny-noely
|
HIRAN'NY ANJELY=HIRAN'NY NOELY
|
Elysé Azrael
|
Hiran'ny anjely,
Anjely marobe:
Hiran'ny Noely,
Hira mamy hoe:
Voninahitra any an-danitra,
Ho anao ry Andriamanitra,
Fiadanana ety an-tany,
Ho an'ny olona ankasitrahany!
Ireo mpiandry ondry
Tao anatin'ny aizim-be
Novangian'ny anjely
Nihira mamy hoe:
Voninahitra any an-danitra,
Ho anao ry Andriamanitra,
Fiadanana ety an-tany,
Ho an'ny olona ankasitrahany!
Ny hiran'ny voavonjy,
S'ireo mino marobe,
Hiran'ny anjely,
Hira mamy hoe:
Voninahitra any an-danitra,
Ho anao ry Andriamanitra,
Fiadanana ety an-tany,
Ho an'ny olona ankasitrahany!!!
M
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/ny-anjara
|
NY ANJARA
|
Ny Andrianary
|
Tsy ireo izay notiavina tao am-po tokoa
Tsy ireo manaiky hanolotra ny vatany ho anao
Tsy ireo mahafoy fotoana hiarahana aminao
Tsy ireo izay tia mahatolotra ny sarobidy ho anao
Tsy ireo izay azo nofy sy hanembonana any ho any
Tsy ireo izay malahelo raha toa ka lasa ianao
Tsy ireo izay voafidy…
Tsy ireny no anjara fa aoka ho tsapanao
Io olombelona io mety miova tsotra izao
Ka aza mahatoky fa hajao ny vatanao
Izay tempoly tena tsara
Ny anjara dia izay hiara-kohamasinina aminao
Hatreny an’Alitara.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/vaika
|
VAIKA
|
Mahalia❤✨
|
Manempotra ny foko
Ny tanjozotron-tsiaro
Mamikitra ny eritro.
Toa miadana fisoko
Kanefa mampimalo
Mandringana ny heriko
(ny onja atopatopany...)
Manjary mampanjahatra
Ity saiko toa tsy mino
Sy tsy mety resy lahatra,
Tsy manaiky hanadino
(ny fisarahan-dalana!!!)
Mahatsiaro anao hatrany,
Ary mino foana foana
Ny fitiavanao rehetra.
Hatrany mankamamy
Mitia antaranoana
"Ilay namanao poeta".
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ry-alina
|
Ry alina
|
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
|
Ry alin'ny tomaniko!
Aza omenao tsiny izany sentosentoko,
Tsy vatrako nafenina.
Tsy vokatry ny nenina akory sanatria;
Fa dobok'onjamafin'ny aloka fitia
Manenika ny lalako, dia...
Misento aho.
Dia mpisakaiza isika,
F'ianao tsy mahazava izay anton'ny hetraketraka,
Izaho tsy mahavaly izay anton'ny tomaniko, fa...
Tsy resy aho,
Raha misy ambara ianao, etsy mamalia!
Dia ho reseko lahatra ny foko mba hangina,
Dia hoy aho : Ry foko, Mitonia!
Fa iny volana iny,
Tsy azoko fehezina hanazava ny aliko
Ny alin'ny tomaniko,
Niangaviako ihany hitatitra ny hafatro
Ho any ambadika any, saingy
Nolaviny aho, ka indro nidifiany,
Dia horafesiko izy ho zary fahavaloko,
Satria nilaozany aho anatin'ny tomaniko.
Nefa, tsy sahy aho.
Raha renao izao ry volana, tongava mamangia!
Dia ho reseko lahatra ny saiko ahatsiahy anao,
Dia hoy aho: Ry saiko, mandiniha!
Vonjisoa ANDJANIRINA (23/11/2025)
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joharyfenosoa/ity-fiainako
|
ITY FIAINAKO
|
joharyfenosoa
|
ry fiainako mahantra, Voahilika ombeny , Tsy mba natao ho hajaina fa voasoratra ho roraina, Ny mangidy izay sotroiko dia mila tsy honteliko, fa miafy isan'andro aho mba hanakonako ny feriko, Ry fiainako mahatra, dia mirenireny foana, tsy mba misy mampitraka, ny fiainako hatreto dia misoana. Ny any faraheriko, sy fitiavako ny Raiko, dia hajaniko ny alaheloko, ka ny tsara no holalaiko, hitraka aho alo ka handinika ny amiko hanaremako ny teo aloha ary hijereko koa ny hoaviko.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/handalo
|
...(HANDALO)...
|
Mahalia❤✨
|
...(HANDALO)... ''Setrin'ny tononkalon' i Tsila Tolotriniavo hoe : "Zava-drehetra".
Ny eto tsy miova fa mahatsiaro foana,
Fa giazan'adidy dia tsy afa-mitroatra.
Tsy hoe manadino raha tsy afaka mihaona;
Mba manina ihany fa tsy afa-manoatra.
Satriko indrindra ny handalo sy hitafa,
Hamangy sy hitsidika anao in-dray mandeha
Manahy aho kanefa sao hifoha eo ny lasa...
Ka handrehitra indray ilay fitiavana be.
Hitoetra ho mpinamana ve moa tsy ho vita?
Raha toa ka izay no tsy maintsy ho diavina,
Ny omaly izao 'nefa mamatotra antsika,
Mampiombona hatrany tsy manaiky lavina.
Fa tsy niova tokoa raha ny "zava-drehetra",
Fa mbola mijoro ary tsisy voafafa
Na izaho na ianao mbola samy poeta...
Mikalo sy mihira ny akon'ny lasa.
Ny akon'ny lasa izay tototra tsiaro
Ary antom-pisian'ilay Diarinao,
Hitady fotoana aho dia hiezaka handalo,
Hanandrana indray an'ilay molotrao.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/ikala-maria
|
Ikala Maria
|
Ny Andrianary
|
IKALA MARIA
Orankorana madinidinika no mipatraka aty aminay
Na kely na be dia mavitrika miara-mitaona kitay,
Ikala Maria kosa anefa, irahan'ny kibony noana,
Tsy vady, tsy havana hitsetra dia aleony mikaroka foana.
Lasa iKala Maria, tena lasa izy telo mianaka
Anaty orana, miviavia, miaritra ireo kotro-baratra,
Ny zanany roa mianadahy trotroiny sy ataony atsangory,
Na ny aretin'ireo aza lahy, toa tsy mba nosaininy akory.
Olombelona toa ahy sy ianao ny mahantra toa azy rey olona
Aza jerena amin'izao fa ampio amin'ny ady sy tolona.
Na vavaka, vola na saina, izay antra mba foinao re
Tsy misy mahavidy e ny aina, mifanampy no zava-dehibe
https://www.facebook.com/profile.php?id=61584453369515
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/misaotra
|
MISAOTRA
|
Nic Coper Ofisialy
|
Tokana ny teny, ny amin'ny hoe misaotra
fa Na ny vava hiteny azy aza, moa vaotra
Satria, tsapa dia tsapa tokoa
Fa manana anareo,ka manana tokoa
Teo foana, nanohana, nanampy
Ka dia feno avokoa, ireo rehetra tsy ampy
Lehibe tokoa izany, fa sy mba hoe kely
Ka sarotra ny hanako-maso, manoloana ireny
Tsy manana hatolotra, na hamaliana babena
Fa ny fisaorana no aroso, atao ombieny ombieny
Ho marim-pakasitrahana, tena avy amin’ny fo
Izay atolotra anareo, amin’tanan-ndroa
Raha misy manome manko hono, zavara hoa anao
Dia kinga miteny hoe, misaotra tompoko ô
Ka vao maika zava-tsoa be izao, no voarainao
Dia tsy ay ny tsy hisaotra, ka mankasitraka ô
Ho tahin’ny tompo, ary honera be ny lany
Itombo avo telo eny, rehefa indray andro any
Satria ny tompo, tsy mba miangatra, fa mijery midina
Ka ho Tonga hamaly soa, amin’ny ora izay tsy mpoizina
Dia mamerina fisaorana, foana hatrany hatrany
Satria sady, fahalalam-pomba, ihany koa izany
No Sady mari-mpifaliana, sy marim-pahatsapana
Ireo izay nomenareo, tsy ampisalasalana
Izay no ela izay ny aingana, fa dia misaotra betsaka
Mahafehy azy izay , ka tsy ho lava resaka
Fa dia mankasitraka, mankatelinaka
Dia Samy ho tahin’Andriamaitra, ary ho ela velona
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/babonao-ny-foko
|
BABONAO NY FOKO
|
Elysé Azrael
|
Ambarako androany,
Ho ren-danitra ho ren-tany
Fa tia anao aho,
Babonao ny foko...
Vonona aho ny hiara-dia,
Vonona aho ny hifankatia,
Tsy androany ihany
Fa ho doria...
Ka ny androko sisa:
Atolotro anao!
Ka ny fiainantsika:
Ho fiainam-baovao!
Tena ho paradisa,
Manomboka izao...
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/tsy-ho-poeta-intsony-aho
|
''TSY HO POETA INTSONY AHO"
|
Zavona Rakoto (AQUARIUS)
|
Ity angamba iky no fara diam-peniko,
Angamba ity no hafatra no sady fara-teniko.
Mamy no niarahana, tsara izay navoaka.
Fa ampy izay angamba;aoka tena Aoka!
Ry kantoko nitoetra Fa afa-po ny ahiko.
Mamo ny fanahiko,eny! tsy hanindroa,
Aleo aho mba ho afaka,avelao hifoha.
Tapa-kevitra aho fa hiova tarigetra.
Ka tsy an-kalo intsony aho no hilaza hetaheta.
Hisaraka eto isika!
Aza ianao manahy fa tsy hisy hipika,
Ny ventso sy ny hanina,ny antsa sy ny ditra.
Hizotra lalan-kafa ilay sakaizanao
Ka tsofy rano iky,avelao handao.
F'angamba ampy izay!
Ny aingan'ny fanahy nomenao mba hindramiko,
Ny kanto nosalorako hilaza 'zay mba mamiko.
Apetrako etoana,tsy ho ampiasaiko intsony,
Ampy izay angamba fa aleo aho hitony.
Farany dia farany,irony zava-bitako!
Aza aranty intsony fa efa mba navitrako,
Aza ampidirina anatin'ny tantarako,
'lay Zavona Rakoto koa soloy ny tena anarako.
Veloma ka masina!
Antsirabe,
Talata 02 desambra 2025 Tolotra Misantatra (Zavona Rakoto)
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/ampy-azy
|
AMPY AZY
|
Mahalia❤✨
|
AMPY AZY
Tsy hoe ialahy no tsy nilainy raha navelany nandeha,
F'izy tsy afaka mitazona izay efa tsy tamana;
Raha fitiavana no resaka...izy tena nanome,
Nitia tamin'ny fony f'ialahy mihitsy no malama.
Dia voatery nanadino izy na dia mbola te hisambatra,
Tsy maintsy ialahy nafoiny hotantanan'olon-kafa.
Ny sainy efa namboariny hoe tsy misy tonga lafatra,
Mety hoe lavo izy androany fa rahampitso mbola hitraka!!!
Fa raha hoe olona hitia azy sy hanatsra ny ampitsony?
Tsy hiadivany amin'ialahy na marary aza ny anatiny.
Fa "Ampy azy" indrindra ilay nivoaka tao an-kibony.
Loharanom-pahasambarany ary ho mandrapahafatiny.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/tiako
|
TIAKO
|
Mahalia❤✨
|
TIAKO
Mba tiako ho fantatra daholo
Ny ao an-tsainy manontolo,
Iriako ho hay tsy misy fetra
Ny ao am-pony rehetra rehetra!
Fa tena tiako mihoatra izany
Raha hoe mira ny ao am-po,
Satria fitia tsy ho lany mamy
No hanjaka ao tokoa!!!
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joharyfenosoa/sentonny-fo
|
SENTON'NY FO
|
joharyfenosoa
|
Ny foko misento manembona anao, mahatsiaro manirery fa lavitra anao, mitamberina an-tsaiko ilay teny manandanja,dia misento ny foko mahatsapa tena banga,tsy maintsy misento raha sendra mangina,tsampako mafaitra ny tsy anilanao ry tiana,ny sento ny foko nosoratako anao,fa ny vatako no lavitra fa ny foko anilanao,lasa ny saiko tsy mety manadino malahelo ny foko misento mangina.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/vavaka-ho-ahy
|
VAVAKA HO AHY
|
NY Andri-Fara
|
VAVAKA HAFAHAFA
Androany aho te hivavaka
Hiondrika hifona amin'Andriamanitra.
Kanefa vahotra ny lela...;
Tsy afaka hanambara!
Haneho ny ato am-poko.
Tompo o!
Ity fo malemy sy maditra
Mitalaho fa mpanota.
Tsy afaka hanonitra ireo ratsy efa vita!
Amindrao fo re, fa zanaka tsy laitra.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/petera-sa-jodasy
|
Petera sa Jodasy ?
|
Heriarilala Andriamamonjy
|
PETERA SA JODASY ?
Ianao nanaiky foana teto anatrehako, nilaza ho tena tia
Tsy hisy fiatoana hanaraka ny halehako, hiaro ho doria
Nazoto ery nitantana, faly koa namihina fa tompon'ito foko
Tsy niakanakana rehefa nodinihina, tsy mbola koa nioko.
Impiry nivoady, nianiana injato kely fa tsy handao na oviana
Raha tsy izaho ilay vady d'aleonao miery, mamonjy ny fodiana
Raha iny tafasaraka, hono, ianao sy Isombinaina dia aleo tsy misy
Homenao malalaka moa ny zony mba hiaina fa tena tianao mihitsy ?
Dia nanaiky hatrany teo anatrehanay hoe tia sy tena babo
Miasa be mavàny, miasa ho anay, ny anay kay hevi-bado
Dia mandefa hafatra sy miantsoantso lava hoe manina te hihaona
Indraindray manasatra fa tsy mazavazava ny fandaminana fotoana
Dia renay any ambadika fa mandà mafy ho tsy mahalala anay
Izahay tsy maty arika fa mahatsiaro tsara an'ilay voady fahizay
Hoe na oviana na oviana dia tsy hisy hahasaraka
Impiry no nianiana fa na inona miseho dia ho eny foana hanaraka
Teto aho no sahirana, Petera sa Jodasy ilay mitoroka any ivoho ?
Ninianao navilana ho tantara ratsy ilay voadin'olon-droa
Tsy fandavan-tsotra fa nisy endrikendrika mba ho fanaratsiana
Mba tena mafy loatra raha niofo vetivetika ilay fon'olon-tiana.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/ampio-aho
|
Ampio aho
|
Ikalamako
|
Intsony aza aboraka hoe mbola tia ianao
Intsony aza tairina ny foko nahay nionona.
Fa ampio aho hanodina ny saiko
Tsy hiampita, na monja indray mandeha,
Hitety irony lasantsika.
Fenoy an-dohanao
Ireo tsy nety vitako noho ny foko diso tia.
Odio tsy nisy ilay
Fitiavako nisisika, tanatin’ny fonao tia milalao fitia.
Hanampy anao izany
Hanosika sy handoro ny avelon'ny fisiako.
Fa raha iny ianao nandrindrina ilay varavarana,
Nanapaka ny rohy, nandroaka sy namarana ;
Dia teo no nifanaiky izaho sy Rafitiavana
Fa na aiza na rahoviana
Izaho tsy hitady Azy intsony ary Izy hanaja izany.
Fa ny fitiavanao, ny fitiavantsika, ilay ato am-poko farany,
Izy no hany vatsiko raha hiala eto an-tany,
… efa nivoadiako taminao izany.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/mbola-henonao
|
Mbola henonao ?
|
Heriarilala Andriamamonjy
|
Mbola henonao ?
Tompo ô !
Tsy nety reko intsony ilay feonao mamaly
Miezaka aho mitony fa tsy mety ho faly
Vaka izao ny saiko hoe tena misy ianao !
Marary anie ny aiko amin'ny zava-misy izao.
Tompo ô !
Moa tena avo loatra ilay efi-manasaraka ?
Sa izahay mpanota tsy mba mioty valim-bavaka ?
Sao vavabava-poana kosa no natosatosakay ?
Moa ny hatakay nivaona ka tsy sitrakao ry Ray ?
Kanefa ange ny marina, tsy nety renay ilay tena sitrakao,
mba tianay nofantarina, fa tsy hay hatramin'izao,
tsy nisy famantarana ho endrika fandavana,
Sarotra ny lalana ka niharam-pahavoazana.
Tompo ô !
Tsy tsiny no omeko raha manontany etoana
Ny ezako hatreto ve ho'aho verivery foana ?
Sa sedra ihany izao fa mbola ho tafita ?
Kanefa maro loatra ny sorona efa vita.
Eto ve ny farany, sa mbola handresy ihany ?
Te handingana aho, nefa tsy mety izany !
Fara-fiangaviana, meteza àry ho namako
Fa feno fahakiviana raha ts'isy anao ny lalako.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/lm
|
POEZIA
|
Mahalia❤✨
|
POEZIA
Ianao 'lay mahatsapa ny misiko rehetra,
Na ampahana fisiana na ahiko manontolo.
Ianao 'lay nitia,tsy nanisy koa fepetra!!!
'Lay hany fanaperako ary tsisy mahasolo.
Ianao 'lay nifidy ahy fony aho mbola tsy ary!
'Lay nanafy ahy ny lamba hisalorako anao.
Novontosanao talenta aho mba handokoako sary,
Ary ampiaina ireo teny amin'ny endrika vaovao.
D'ianao 'lay "poezia" mipololotra avy eo am-bavako,
'Lay vavahadin'ny hatsarana sy maharitra fisiana!
Ka na ireo tonom-bavako, na ireo teny 'zay narandrako,
Dia avy aminao daholo,tsy analana tsy hanampiana.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/izaho-kely
|
Izaho kely
|
Heriarilala Andriamamonjy
|
Izaho kely
Izaho kely anankiray
nitepo tato anatiko
no hisy rahatrizay,
ho teliko sy mamiko.
D'hikolo aho sy hanabe,
hanambitamby koa
f'ilay sombinaiko ange
tsy manam-paharoa.
Ho jenitra amin'izany,
mikarakara tiana,
mitsiky hatrany hatrany
fa eo ilay nirina.
Izaho kely anankiray
nitepo tato anatiko
no hifalifaly indray,
tsy hangina ny akaniko.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/tonga-soa-ry-sombinaina
|
Tonga soa ry Sombinaina
|
Heriarilala Andriamamonjy
|
Tonga soa ry Sombinaina
Tonga soa ry Sombinaina
ato an'efitranontsika
tato ianao no nokenaina
dia ato no mifankahita.
Fifaliana ho an'i Neny
ny fahatongavanao etoana
fahiny mantsy, tamin'ireny
ny tranoko nangina foana.
Ankehitriny ianao efa eto
mpitabataba ho fifaliana
nifarana àry izany sento
fa eo ny hiakanao mahaliana.
Nahazo namana i Neny
efa tsy irery intsony
angamba ianao rehefa miteny
dia tena ho mirana ny fony.
Tonga soa ry Sombinaina
ato an-trano kelintsika
ato ianao no kojaina
ato izao no paradisa.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/mihetseha-ry-sombinaina
|
Mihetseha ry Sombinaina
|
Heriarilala Andriamamonjy
|
Mihetseha ry Sombinaina
Mihetseha ry sombinaina
ho mari-pamantarana fa monina ao ianao
Ho mirana ny saina
raha misy marika avy hatrany henoko eto izao.
Mihetseha moa mihetseha
fa fifaliana mamy ny fananako anao,
efa maika aho ny hihomehy
te hitsikitsiky, ka mihetseha izao.
Mamy kely, sarobidy
tian'ny foko ho kilalao
tsy hatakalo, tsy hamidy
fa efa ahy tsotr'izao.
Any izao ny Dadanao
Efa te hanambitamby
Ianao mantsy aina vao
Efa mahate hisangy.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nanenenako
|
NANENENAKO
|
Fredy Jaofera
|
NANENENAKO
Nanenenako
ny nanorenako
ireny faniriana
tany mangina.
Nanenenako
ny nanarenako
ny disadisa be
tany ka ory re.
Nanenenako
ny nifantenako
ny toky nilaina
tany ka maina.
Nanenenako
ny niverenako
tsy hay fefena
ka eto babena.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/na-tsy-taratra
|
NA TSY TARATRA
|
Fredy Jaofera
|
NA TSY TARATRA
Na tsy taratra
sy efa tsy tsaroako
rehefa any milalao,
misy zavatra
mitazona ny foko
hitepo foana anao.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/tsimbadiky-ny-fiainana
|
Tsimbadiky ny fiainana
|
Heriarilala Andriamamonjy
|
Tsimbadiky ny fiainana
Fahiny indrindra, hono, Ravorona mahery
nirehareha fatratra ka nihinana ny kely
ny vitsika tsaingohiny, tsy misy ankitsetra
izy ange matanjaka ka tia nisetrasetra.
Ilaina koa ny homana rehefa mamelon-tena
ka ny maharary ny hafa odiany tsy jerena,
na iza sendra azy dia somparany eny foana,
satria ange tsy ampoiziny ny fiovan'ny fotoana.
Mandalo ihany mantsy ny fahasalamana
ny fahafaha-miaina voafetran'ny lalàna
tonga àry ny ora nahatapitra ny androny
nitsimbadika ny rasa, io ilay tsy tandriny.
Ny vitsika sakafony niantso tapaka sy namana
nanao fetifety fa ity vao hoe fihinanana,
ao ny nitondra nody namahana an-dRabiby
fa any aoriana kely, io koa tsy hanan-tsafidy.
Dia nisy koa alika namiravira ny henany
moa ho efany intsony ny hiaro izato tenany ?
Manody arivoarivo ny fanampatra fahiny ;
mitsimbadika ny fiainana, hendre ankehitriny.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/feno-hasambarana
|
Feno Hasambarana
|
Heriarilala Andriamamonjy
|
Feno Hasambarana
Feno Hasambarana ny foko tojo anao
Mianoka fiadanana sy faly tsotra izao
An-taona maromaro no naniry anao ho fananana
Nahazo anao ho aro, nahazo anao ho namana.
Izaho ianao tiavina sady efa mitia
Soa fa tsy nolavina fa dia nekeko akia
Mamy sarobidy tsy azo nosandaina
Ianao tena safidy, mamy sy lalaina.
Ho Feno Hasambarana ny fiainanao rehetra
Indraindray ho saro-dalana, mety hisy setrasetra
Fa irariako etoana hoe hihoaranao ny mafy
Raha misy fisentoana dia tsy handresy anao ny rafy.
Feno Hasambarana ny fiainantsika izao
Ampoka fiadanana fa miaraka aminao
Mamy ianao ry tiana ka arovako hatrany
Efa lavi-pijaliana ny fiainako eto androany.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/nandao
|
Nandao ?
|
Heriarilala Andriamamonjy
|
Nandao ?
andao ve ilay sombiniaina
nantenaina ho fifaliana
Toa tsy hisy ny maraina
velona ny hakiviana...
Mbola te hanantena
ity foko te ho reny
Ny zava-misy mampivena
ho nofy ihany izany ireny.
Moa hitrotro sy hibaby
ity olona mijaly
fa he nilofika sahady
ilay nirina hampifaly.
Indrisy re ry sombiniaina
trotraka ny foko kely
ory re ny fo sy sainy
Iza no afaka hampahery ?
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nila
|
TSY NILA
|
Fredy Jaofera
|
TSY NILA
Tsy nila ahy
ianao
hatramin'izay
ka tsy fanahy
eto izao
ny hifandray.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ady-an-trano
|
Ady an-trano
|
Nosy Malala
|
Ady an-trano,
Tandremo tadremo aza varimbariana,
Antso ihany ity fa tsy zavatra irina,
Jerijereo sy diniho hatrany,
Ireo ady an-trano misy any ho any.
Roapolo taona ny tany Sierra leone,
Resaka diamondra efa ho amin’ny taonina.
Soudan, Myanmar, Yémen....ankehitriny,
Mbola ady mafy, tena mangirifiry.
Analina, anetsiny ny aina afoy amin’ireny,
Ny fitaovam-piadina miparitaka eny ho eny.
Tahotra sy horohoro no misy isanandro,
Antaona maro io, tsy alina tsy atoandro.
Matetika harena no mahatonga ady,
Solika, vatosoa...mena miraviravy,
Tombontsoan’olombitsy matanjaka,
Raha azo sorohana, jereo ny taranaka.
K’andrao variana mifampilavaniny,
Tsotra ny tanjona, ADY amin’ny RARINY.
Miray hina foana fa samy Malagasy,
Misandratra miaraka, toy ireo' ray kilasy.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/hanana
|
Hanana ?
|
Heriarilala Andriamamonjy
|
Hanana ?
Misy kibo miandrandra,
te hitondra sombinaina
Mba te hitondra tsy mihamba
Efa ela nitaraina.
Nanahy mafy teny foana
sao tsy hanana mpandimby
Raha avy ny fotoana
Moa hahay hisafidy ?
Horaisina ilay sarobidy
hitia irery sa hana-namana
Moa hitondra izany adidy
Ilay olona nahafaha-nanana ?
Misy kibo miandry fatratra
ny valin'ny fitia natao
Moa hiaina ka ho sambatra
Ary ny rainy tsy handao.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/aina-entiko
|
Aina entiko
|
Heriarilala Andriamamonjy
|
Aina entiko
Aina mitondra aina
Tsy takatry ny saina
ny fahaizan'ny Mpahary,
lehibe sy lavorary.
Ny foko tsy hiofo
fa vonona hiampofo
an'ilay zaza tiana
fa ela naniriana.
Sahy ka tsy handà,
fa mikoriana anaty ra
ny fitiavana ny zanako
toaviko fa anjarako.
Aina no kenaina
irina sy andrandraina
mba ho tonga soa
fa mamiko tokoa.
15:09
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tavela
|
TAVELA
|
Fredy Jaofera
|
TAVELA
Ilay fitia tavela
no sisa ananana,
tsy mivadi-dela
rehefa notanana.
Ilay kalo tavela
no sisa vetsoina
ka tsy afa-bela
ny tsy hadinoina.
Ilay nofy tavela
no sisa tsaroana
fa hatry ny ela
ny fikolokoloana.
Ilay toky tavela
no sisa itsikiana,
na dia mamela
ny fitomaniana !
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/izy-roa-kely
|
Izy roa kely
|
AZRAEL
|
Ireny indray fa miaraka
Hitsangatsangana any ho any
Izy roa kely...
Toa nofy izany hisaraka
F'isan'andro foana hatrany
Dia volana tantely...
Ny renirano mikoriana
Sy ny fisasasasan-driana
No alehan'ny vinaniny...
Fa ny anilan'ilay tiany
Ilay maminy indrindra
No nofisiny isan-kalina!!!
Fahafinaretana ho azy ny orana:
Tsy ilainy akory ny elo,
Fa ny masoandro indray no olana:
Raha mody aloha mampalahelo...
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/samaritana
|
Samaritana
|
Nosy Malala
|
Samaritana,
Maromaro tato ho ato ireo samaritana,
Mandray andraikitra, miaro ny aradalàna.
Mijoro, mahasahy, mitaky ny rariny,
ampahibemaso no ampahafantariny.
Miasa avy hatrany fa tsy lava resaka,
Ny vahaolana ny azy toa mipetrapetraka,
Toy ny maherifo amin’ny horonan-tsary,
Vonjy aina no fetra ka tsy lava tafary.
Izay fainga-piady izao no mahazo loka,
Ankasitrahan’ny maro, mahazo doka,
Raha mahita olana ianao eo antanàna,
Kingà, mba ho isan’ny Samaritana.
Ny pretra, levita, nandalo nijery fotsiny,
Nihevi-tena ambony sy sarotsarotiny,
Arivo taona aty aoriana mbola afa-baraka,
Ny Samaritana no ohatra latsaka ampàka.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandrantosoa-leprof/miandry-anao
|
Miandry anao
|
Mandrantosoa LeProf
|
Tena miandry fatratra ny fahatongavanao ny eto ankehitriny.
Ny reninao moa io efa tena tsindrin-daona fa tapitra vidiny
Izay zavatra mba tazany eny rehetra eny,
ka hoe an-jazakely.
Omaly izao zahay dia nitety magazay tetsy sy teroa,
Dia mbola tsy afa-po;
Fa androany indray, nanokatra finday, dia nisavasava tao
anaty fesiboky, nijery akanjonao.
Ny ato an-trano moa, isak'izay miteny, isan'andro izao;
Na inona na inona votoatin-dresaka, tafiditra ao ianao.
He moa zany hafaliako rehefa injao i Neny miantso ka miteny:
"Avia ianao aty, jereo anie izy io e, tsapao fa mihetsiketsika"
Dia ampiany kely hoe "Efa tena pelika ann"??
Dia iny aho fa mitsapa, miandry anao itsipaka,
F'ianao mody mifitsaka,
Mamilafila kely...
Hitako sahady fa ho feno sangisangy ny fiainantsika mianaka.
Ho fifaliana foana, tsikitsiky lava, fitia miraradraraka.
Ianao sy i Neny moa efa azoko antoka fa tena ho mpinamana,
Hifankahazo am-po, dia tena hiray saina, ho ampoka hasambarana.
Fa tena mba iriko, tena antom-bavako isan'andro vaky:
"Ny fisianao anie ho tady mahazaka ka tena hanamafy
Ny fifamatorana misy eo aminay (mivady)
Ka hampiredareda ilay afo mahamay, ilay fitia nampifandray"
Eny e, izay no ela, fa izao no tiako ambara,
Tongava am'zay e, tongava f'aza tara.
Tadidinao lay teniko tany am-boalohany iny?
Tena miandry fatratra ny fahatongavanao ny eto ankehitriny
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hijinja-ny-fiainana
|
HIJINJA NY FIAINANA
|
Fredy Jaofera
|
HIJINJA NY FIAINANA
Hijinja ny fiainana
izay nafafy ianao
rehefa ela ny ela ;
ny fanaintainana,
hitoetra ka lanjao
fa tsy hamela !...
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahomby
|
MAHOMBY
|
Fredy Jaofera
|
MAHOMBY
Ny olona mahomby
dia mianatra amin'ny hadisoany
ary manandrana hafa indray ;
ngeza toy ny omby
itony fahasambarany sy soany
ary ny hafaliany tena ranoray.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanaperana/tiana-%C3%B4
|
Tiana Ô!
|
Fanaperana
|
Tiana ô!
Aza misy hanafenina amiko
Aleo mba ho fantatro hatramin'izay tena miafina indrindra
Na ilay ianao mitsiky ao ambadiky ny ranomaso
Na ilay ianao mody mafy fa mila ho lavon'ny akaso
Aleo mba ho hitako daholo hatramin'ny bitika indrindra
Na ilay ianao miantso vonjy amin'ny feo iva dia iva
Na ilay ianao misento ambon'ny onjam-pijaliana
Fa mba tiako ho hita ,
Ny marina ry Tiako
Tsy tiako hiaram-paly isika nefa ianao mifihin-dranomaso anaty alina mangina
Mirihariha isika ny andro fa ianao tsy nipizin-tory noho ny ady mangatsiaka
Tiana ô!
Mety tsy hahavaha olana aho ,
Fa mba afaky ny hampitony ,
Hamihina mafy raha toa ka mila an'izany
Dia mba mety afaka hampiakatra kely ny môraly
Ny marina , iray isika
Dia tsy tiako ianao hiady irery toy ny teo aloha
Tsy nisy ahy ,
Tsy tiako ianao hiaina ireny fa efa mba eto aho dia azonao hiankinana
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/derao-ny-avo
|
DERAO, NY AVO !
|
Fredy Jaofera
|
DERAO, NY AVO !
Derao, Ny Avo,
no hafatra isan'andro
dia ho ravoravo
vao misy masoandro.
Derao, Ny Avo,
amin'ny hira fiderana
dia ny ho lavo
tsy hisy fa norarana.
Derao, Ny Avo,
amin'ny vavaka irina
dia tsy ho mavo
fa hahazo fitahiana.
Derao, Ny Avo,
amin'ny saotra foana,
ny nanjavozavo
hazava be manoloana.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-zava-drehetra
|
NY ZAVA-DREHETRA
|
Fredy Jaofera
|
NY ZAVA-DREHETRA
Ny zava-drehetra,
miresaka amiko
ny momba anao
ka ory tsisy fetra,
na dia nalamiko
ho tsiky sy lalao.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/poli-ntsika
|
POLI-NTSIKA
|
Ravo
|
POLI-NTSIKA
tantara zary nofy,
nofy tsy tanteraka,
zary lasa gadra
mety ho voavahan-dresaka.
ny nofy manko vina,
ka na anaty sakana,
dia hisy ny any aoriana
hisehoan'ny fisandratana.
manko isika tsy nihaona,
tsy nanan-tana-mifandray
no novain'ny fotoana
ho tantara hafa indray;
kanefa isika raha miaraka ...
amin'izay vao tena ho sambatra.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandrantosoa-leprof/aza-mifosa
|
Aza mifosa
|
Mandrantosoa LeProf
|
Raha misy tsy tiana dia aleo miresaka
Fa aza mba zatra mifosa an-damosina.
Raha misy ny zava-maharary, mamesatra,
Lazao ahy aty fa aza fonofonosina.
Raha misy ny zava-mandona ny fo,
Mety mahatezitra sady mandrangitra
Aleo mifanatona foana mialohan'
Ny hihainoana izay resaka any ambadimbadika.
Izay zava-mahasosotra manimba saina,
Lazao mba iaraha-mitady vahaolana.
Fa aza atao toy ny mofo dipaina,
Tsy hay izay loha sy vodiny, mampifanolana.
Raha misy otri-po mety mandevilevy,
Raha misy ny tasy mandoto, manarina.
Tongava miresaka fa tsisy bedy e,
Izany ny fomban'ny olona marina.
Ny teny manko hono zareo toy ny atody,
Raha foy manan'elatra, lasa tsy tana.
Ny teny manidina ka sao hanody,
Hiteraka ady, handrava tanàna.
Ka raha misy tsy tiana e, aleo miresaka,
Fa aza mifosa, manao ratsy toetra.
Ny marina anie ka tsy maintsy hitresaka e,
Hivoaka, hiparitaka, ho ren'nyy rehetra.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/ny-avonavona-ve
|
Ny Avonavona ve ?
|
RODER
|
Ny avonavona ve no hitarika,
Sa ny fo manetry no hahasoa?
Indraindray isika toa variana,
Mitady hiseho, nefa tsy mahafoy.
Ny teny mipaka avy am-bava,
Mety ho vato manindry havana.
Ny fijery avo tsy amin’ny fotoana,
Mety hanapotika ny fihavanana.
Fa raha mba mandefitra kely,
Manaja, mihaino, tsy manilika,
Ny olana mavesatra aza
Lasa maivana ka mora vahana.
Ka ny avonavona ve no tsara?
Toa tsiambaratelo mandratra fo.
Ny fahatsorana ihany no hery,
Manandratra, manambatra, mampihavana.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/baiboly-mivelatra
|
BAIBOLY MIVELATRA
|
Fredy Jaofera
|
BAIBOLY MIVELATRA
Baiboly mivelatra
ny fiainantsika
tena mba sehatra
mahasariaka.
Baiboly mivelatra
ny mifankatia
raha miantehatra
aminy ny dia.
Baiboly mivelatra
ny fihavanana
tsy hamohehatra
ilay fiadanana.
Baiboly mivelatra
ianao mihitsy
mety ho tselatra
tonga hanitsy.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahatokisan-tena-2
|
FAHATOKISAN-TENA
|
Fredy Jaofera
|
FAHATOKISAN-TENA
Aza manao ny mihoatra
amin'ny kiry izay misesy
hahazoana fandresena
fa ireo ezaka be loatra
dia tsy afaka handresy
ny fahatokisan-tena.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/tiany-ianao
|
TIANY IANAO
|
Ravo
|
TIANY IANAO
nisy tanana iray
nandray ny anao sy namihina,
tokim-piainanao ho tsara,
nitondra ho ambony alitara.
misy tanana isan'andro
miasa sy sasatra ho anao,
mahatsapa anao ho ankohonana
ka tsy mihevitra anao ho olana.
Fa misy sandry roa miampatra
ka ireo tanany voafantsika,
ireo tongony ihany koa toa izany;
moa fantatrao ny anton'izany?
tiany ianao ka dia ekeny
mba handray ny famonjeny.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ray-o
|
RAY O !
|
Fredy Jaofera
|
RAY O !
Omeo fiarovana
ara-pitia aho
hahatsiarovana
tsiky vaovao.
Omeo fiarovana
ara-tsaky aho
f'efa nolalovana
ny tsisy, zahao.
Omeo fiarovana
ara-tsaina aho
fa fadiranovana
fony be raorao.
Omeo fiarovana
ara-bola aho
tsy ho torovana
amin'ny atao.
Amen !...
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandrantosoa-leprof/ny-antonito-fiainana
|
Ny anton'ito fiainana
|
Mandrantosoa LeProf
|
Matetika andalovana ny tena zava-tsarotra,
Zava-manahirana mahatonga asa saina ;
Dia iny ianao mandinika, toa te hiady varotra,
Mahateny mihitsy fa mangidy hay ny miaina.
Variana ianao mijery ny atsy ambadika milamina,
Ny vola, ny harena, mitobaka aok'izany.
Ianao anefa ity anaty fahantrana lalina,
Na hanina indraim-bava efa tsisy hatry ny omaly.
Oh, ny atsy atsimo mikorana, falifaly,
Ry zareo atsy avaratra mihira sy mandihy.
Dia hiteny ve ianao fa tena tsisy raha manjary,
Manorisory loatra 'ty fiainana eto ity ?
Lazaiko anao androany ny anton'ito fiainana :
"Ezaka sy tolona raha toa ka te hivoatra".
Ny olona efa tafa angaha moa hita hitarainana ?
Angony ny herin-tsaina, mitsangàna, ndeha mihoitra.
Fa etsy kely aloha, aza dia miady irery,
Ankoatra ny fahaizana sy ny herinao malia ;
Ataovy lohalaharana ny VAVAKA ho hery.
Mitafia finoana...
Fa homba anao tokoa anie JESOA KRISTY.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/tadidio-fa-tiako-ianao
|
TADIDIO FA TIAKO IANAO
|
Elysé Azrael
|
N'inon'inona hiseho
Sy zava-baovao
Mety hitranga rehefa avy eo
Dia tadidio fa tiako ianao,
Tadidio fa tiako ianao
Na dia ninia tsy nahatsapa
Ilay fitia tanaty tao
Ilay fitia latsa-paka
Ka raha handao ianao rahampitso,
Fa voky tokin'olon-kafa, k'hitia azy sady hino,
Nefa ho sendra ny mangitsohitso
Dia tadidio fa any ho any: izaho mbola tia tsy manadino.
Raha mitraho ny fiainanao,
Raha toa ianao mila fialofana,
Dia tadidio f'anatiko ao
Ilay fitia tsy hay totofana!
Ka raha handao ianao,
Raha tsy maintsy hafoiko androany, nefa hitia ahy ihany,
Dia tadidio fa tiako ianao:
MIANDRY ANAO AHO ANY HO ANY!
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-mdk/alina-mangina
|
ALINA MANGINA
|
Hary MDK
|
Ry alina mangina
Tsinjovy ilay malalako
Fa hatory izy izao
Ka homeho hafanahana
Ny vatany rakofo lamba
Aoka ny hatsiaka
Tsy hikasoka ny vatany
Na dia iray segondra monja
Fa tiako izy iny
Ka tsy tiako ho farofy
Ka aoka reha ny moka
Hanalavitra azy mandifitr’olona
Ry alina mangina
Harovy izy iny
Hembeno tsara
Mba hatory ampilaminana
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiainam-boky
|
NY FIAINAM-BOKY
|
Fredy Jaofera
|
NY FIAINAM-BOKY
Ny fiainam-boky
dia toy iny zoky
mitarika hahay
no hafatra iray.
Ny fiainam-boky
dia ilay mamoky
ny saina hahazo
ny soa ka fafazo.
Ny fiainam-boky
dia manan-toky
feno fahendrena
azontsika ekena.
Ny fiainam-boky
dia izao, ry roky,
oram-pahalalana
misy fahazavana.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vavaka-ve
|
NY VAVAKA VE ?
|
Fredy Jaofera
|
NY VAVAKA VE ?
Ny vavaka no manokatra
ny varavarana rehetra
vao indro hitera-bokatra
ny faniriana sy tigetra.
Ny vavaka no manokatra
ny lamin-tsaina tony
vao indro ho hita soratra
ny fiderana ambony.
Ny vavaka no manokatra
ny fiadanana tokoa
vao indro hisaotra, ohatra,
fa dia nahazo soa.
Ny vavaka no manokatra
ny hafaliana maro
vao indro hiaka-tohatra
hiantsa fa voaaro.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/mamy-kely
|
MAMY KELY
|
Ravo
|
mamy kely
ilay tsikitsiky
zary tafatafa,
no tena safosafo
tsy iombonana amin'ny hafa
- io no teny mamy -
zaraiko ho anao androany.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/marary-maso
|
MARARY MASO
|
Fredy Jaofera
|
MARARY MASO
Tsy mitomany aho
fa marary maso,
ry tiako ;
izany re ka andao
fa ireny an-kaso,
nijaliako.
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misento
|
MISENTO
|
Fredy Jaofera
|
MISENTO
Ny fo misento
dia tsy manana
izay tadiaviny ;
ry ora !...Ento
ho fiadanana
ny hoaviny !
|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/co-ia-iavotriniaina/mikolo
|
MIKOLO
|
Co-ia Iavotriniaina
|
Mikolo
Mikolo Ilay nikendry ny soan'ny fireneny!
Izy Ilay nilaza hoe:" raha maty aty aho NENY Dia ho an'ny Tanindrazana".
Izy ilay nijoro fa, tsy fotsiny nitazana.
Leo ny rano tsisy sy ny jiro tapatapaka,
Mafy ny fianarana, fa ny harapaka androany, tadiavina rahapitso.
Manaintaina ny vatany, kanefa manantena,
Fa tolona iny androany saingy ho an'ny firenena dia nataony tamin'ny fo!
Latsa-dranomaso, nitaky ireo zö,
Nampitondra teny miakatra ho an'i Andriamatoa Filoha.
"Mijaly izahay, mijaly", Eny tena resy!
Izany rehetra izany dia nataony am-pahendreana fa tsy nihoatra ireo fefy!
Nijohy ny ranomaso, ontsa erÿ fo.
Notafiny ny haren-tsaina dia niatrika izy aloha, hisolo Vava ireo vahoaka!
Tsy vitanareo hoy izy raha sôsety no hatao laoka,...
Dia ianao tsy tafavoaka raha tsy teo ireo mpampianatra,
Tolona no làlana fa ity no atao filamatra hoe:" Fitiavan-tanin-drazana".
Lesona azo tsoahina sy hafatra hampitaina: Mahaiza mitaraina!
Gasy isika gasy, ary aoka tsy horobaina ireo kely hanantsika,
Eny, sitrako sakaiza raha tsisy Rä mandriaka!!
|
Collection Tononkalo Malagasy
Dataset Description
This dataset is a collection of Malagasy poems (Tononkalo) scraped from Vetso Serasera. It focuses on creative writing, rhymes, and artistic expression in the Malagasy language.
Important Note: This dataset has been rigorously filtered.
- Language Filtering: Poems written primarily in French or English have been removed to ensure a high-quality Malagasy corpus.
- Cleaning: Metadata, dates, author signatures inside the text, and website headers/footers have been stripped to leave only the raw poetic content.
- Curated by: Lo-Renz-O
- Language: Malagasy (mg)
- Source: Vetso Serasera
- License: User-generated content (Rights belong to original authors). Used for research/educational purposes.
Dataset Structure
The dataset is formatted in JSONL.
Data Fields
url(string): The URL where the poem was found.title(string): The title of the poem.author(string): The name of the poet.content(string): The body of the poem, preserving line breaks (\n) for structure.
Use Cases
This dataset captures the creative, emotional, and metaphorical aspects of the Malagasy language. It contains vocabulary and sentence structures rarely found in formal news or wikipedia data.
- Creative Text Generation: Training LLMs to write poetry, song lyrics, or creative prose in Malagasy, adhering to rhyme schemes and rhythmic patterns.
- Vocabulary Expansion: Poetry often utilizes deep Malagasy vocabulary (teny gasy lalina), metaphors, and proverbs (ohabolana), helping models understand context beyond literal meanings.
- Cultural Preservation: Preserving the digital heritage of Malagasy contemporary and traditional poetry for future linguistic analysis.
Example
{
"url": "https://vetso.serasera.org/tononkalo/author/title",
"title": "Embona",
"author": "Rado",
"content": "Raha mbola misy embona\nny lasa tsy fanary\nny fo no aoka hiteny\n..."
}
Filtering Logic
To ensure quality for LLM training: Login Pages Removed: Redirects to login pages were filtered out. Signatures Removed: Lines at the end of poems containing the author's name or dates (e.g., "12/12/2025") were programmatically removed. Non-Malagasy Removed: A heuristic based on stop-words was used to exclude non-Malagasy texts.
How to Use
from datasets import load_dataset
dataset = load_dataset("Lo-Renz-O/Collection-Tononkalo-Malagasy")
# Print a poem
print(dataset['train'][0]['content'])
- Downloads last month
- 23