url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/lokolokoy | lokolokoy | raozigasy | Lokolokoy amin’ny hamamin’ny nofy, ilay tokontany filalaovan’ny alina
Ravadravaho amin’ny horintsin’ny vetso, ka ireo aingam-panahy hivoaka avy lalina
Iaino an’eritra, enjeho eny an’habaka, ilay evaevan’ny fiadanana
Dia ho lafatra ianao, rehefa injao, ilay hasambarana hirotsaka an-tanana
Resadresaho, amin’ny kalo mangina, ilay noanoa kijanam-panahy
Ka ireo haingo manemitra ireo ambiroa, hitondra fihiratan’reo ahiahy
hiparasadrasaka, ireo embona mamy, hahenika soa ireo nofy ho tanteraka
Dia ho feno sy to, ilay fifaliana, ireo laingon’ny kanto hamoa sy hiteraka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ray | NY RAY | Fredy Jaofera | NY RAY
Ny ray no nahitana masoandro
ka mbola hajaina isan'andro,
omena ny fitiavana marina :
tena izy fa tsy namboarina.
Ny ray no nampianatra lava
ny tokony ho hay lalandava,
ny ezaka ho tonga mba olona,
na inona no ady sy tolona !
Ny ray no nikiry aok'izany
hahasoa foana eto an-tany,
hahavanona ny sombiniaina
raha indro fa lasa maraina.
Ny ray no natokana ho andry
ho namana mba hahatafandry,
ho harena tsy azo hadinoina,
ambara ho tsy azo soloina ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fiarahabana-lehibe-sy-mafotaka | Fiarahabana lehibe sy mafotaka | raozigasy | Fiarahabana lehibe sy mafotaka
Sy oroka lehibe mifetaka
Miampy sangikely mirotaka
An-kidorom-pandriana miletaka
Izany no sary ao an-tsaina
Fifampiarahabana fetin’ny ray
Hita androany maraina
Ho an’ny dada rehetra milay
Arahaba tratrin’ny fety
Ny ray rehetra eto an-tany
Ianao androany moa no vedety
Koa arahabaina ianao noho izany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mamonny-fitiavana | Mamon'ny fitiavana | raozigasy | setrin'ny tonokalon'i kiriah hoe"mamony aho lehireto"
Iny ianao fa hitako, Mamon’ny fitiavana
Difotry ny tsiky, Hatreny am-paravazana
Ny masonao jerena anefa toa tsy mena
Izay hataky ny olona toa tonga dia omena
Iny ianao fa tazako, doroky ny vetso
tsy mahalala intsony izay siakan-teny sy eso
fa dizim-pifaliana, sy feno hamiranana
izay olona resahina, arahabaina sy tantanana
iny ianao fa tsinjoko, vizan’ny fitia
ka mitsingevaheva ery ambony ery
ka feno anao daholo, ny habaky ny tany
satria ny fiainanao, mamy tena mamy
injany ianao fa reko, valalanin’ny ainga
ka navadikao ho hira, izay resaka miainga
dia amboaramboaran-teny, ampoka fanahy
no entinao misera, tsy misy henatra na ahy
izay nahita anao, mitsiky avy hatrany
misy aza mialona fa te ho mamo toy izany
fa ny ankamaroany, feno koa ny fony
satria tsy tiany hisava , ka ianao tsy ho mamo intsony |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ketrika | Ketrika | raozigasy | Tsy hisy indray ilay CEPE “blanc”
Fa ny hoenti-manana moa “neant”
Tsy asiana « quoi » ireo fa z’ « enfants »
K’aza asiana resaka « sentiment »
Ny BEPC koa amin’izao tsy hay
Hoe aiza ho aiza, sy ahoana indray
Fa raha mbola eto koa aloha izahay
Dia “ca depend” miankina aminay
Dia ny BACC ihany no hotazonina
Iny tsy azo ovaina sy tsy azo hozonina
Fa raha mety, dia ovao indray ny fifidianana
Ny fifidianana ange azo atao “blanc”
Tsy “quoi” koa iny na be “mi-temps”
Fa miandry kely ianao Ramalagasy
Fa izay kozy lazaiko ihany no mi”passe”
Dia samia ianareo manao izay “vous voulez”
Ry « candidat » maro sy be dia be
F’izaho aloha hamolaka ny CES
Dia avy eo io milamina dia misesy
Dia io koa fa niandry Ramalagasy
F’izay no re sy hita an-taratasy
Atao ahoana f’efa zatra ilay handefitra
Ka asian’ny sasany amin’ny ketrika |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/fandrosoana | Fandrosoana | Skual | Nofy izany fandrosoana
Mbola sarotra ny dingana
mbola laozana milòna
mbola laoza-mifamingana
Lany andro mitsikera
Manaratsy be fahatany
Izay mitsangana azera
hidaraboka amin'ny tany
Itsy ihany aloha no tiako
Dia tiako foana n'inona n'inona
ny ratsy ataony hikipiako
Tohizo ihany,tsy maninona!
Fa itsy indray ankahalaiko
tsy tian'ny ao an-tranonay
Eny,na hanavotra ny aiko
Tsy tiako fotsiny dia izay
Inona ilay tolona?
Angaha tsy ny hevitra no miady
no dia mankahala olona?
Mifanajà re azafady!
Izay asa soratra vakiako
mifanaraby,mifanolana!
Ny hany zavatra takiako
Mba manomeza vahaolana
Izay mandainga izao no marina
Fomba fiaina avy aiza loatra?
Ny toe-tsaina mila amboarina
Raha toa isika te hivoatra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-ho-hadinoko-iny | Tsy ho hadinoko iny | raozigasy | Ho setrin'ny "tsy ho hadinoko iny" nosoratan'i Kiriah
Tsy ho hadinoko iny
Fa misy pejy iray
Voakafiry, notsitsiany
Ho azy mandrakizay
K’ireo tantara rava
Voasaraky ny androany
Ireo teny diso vava
Voatahiry any
Tsy ho hadinoko iny
Fa an-toerana voatokana
Izay fitadidiany
Izy no atokana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/tsy-maintsy-misy-iray | TSY MAINTSY MISY IRAY | KIRIAH | TSY MAINTSY MISY IRAY
Tsy maintsy misy IRAY
Mandoa ireo HETRA 'zay takian'ny tantara
IRAY misaina tsara
Hampisy hasambarana ao ampon'ilay sitranina
IRAY mahatsambikin'ity hantsana hodinganina
IRAY mahay mangataka
Mahay mandresy lahatra
Raha toa hiseho vatana anatrehan' i Fitiavana
Fa hisy ny ady varotra
Ary hisy ady sarotra...
IRAY mba tena matotra
Tsy maintsy misy IRAY
Mahay manetry tena
Ho tonga zanak'ondry tsy manana kilema
Iray atao fanatitra
Fanatitra ho dorana amin'ny afo ho tonga sorona
Sorona voafantina
Mba tsy hisian'ny sampona |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/neny | Neny | Skual | Hampahery anao no nanoratako ry neny
Fa tsy hampifoha ny ranomaso vao narotsakao omaly
Henoko daholo ireny nataon'ny dada ireny
Na nafeninao mafy aza
fa hay ianao mijaly
Tsy natory aho iny alina iny naheno anao nitabataba
Voavono maharary ka nihika nitomany
Niaritra ny kapoka sy ny hamamoan'ny dada
Izao tratrako maraina ianao matory eto @ tany
Dia toy izany foana ve no entinao ry mama?
Mahia lava,tsy afa-pery noho ny afitsoky ny ditrany
Ianao no toa mpamelona fa ny azy ny karama...
Laniny @ revy sy voatataky ny sipany
Ny sisasisam-paosiny no antenainao angamba!
Mba ho saram-pianarako tsy voaloha efa ela be
Aleo aho hiala hianatra,hanampy anao hanasa lamba
Fa andao hangorona entana dia aleo isika mandeha |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/tahak-izay | TAHAK IZAY | KIRIAH | Misy tiana ambara
Rakofana ao anatin'ny finiavana hangiana
Misy koa lazaina
Fa saingy amboarimboarina amin'ny teny izay niniana
Niniana ho sarintsariny
Teny amboarimboariny
Dia lasa tsy voalaza
Na dia niriana aza
Ny hamboraka ny marina
Ka indro fa nivarina
Lay hoe: " aborako eto ny marina rehetra"
Resin'ny fepetra mifehy ny atao hoe:"henatra"
Resin'ny fepetra mifehy ny atao hoe:"hambo"
Mivadik'eny ny andro
Mivadika ny volana
Miangona ho taona
Ka lay fahamarinana ( niriana ho lazaina)
no indro nodikaina
Ary lay voalaza ( zay notefen'ny saina)
No lasa naka toerana
handrakotra ny marina
Aza gaga ianao raha toa ka tsy tafarina
Fa io ny "TAHAKA 'IZAY "
Mandona varavarana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izaho-angamba-mety-hifindra- | Izaho angamba mety hifindra ... | raozigasy | Setrin'ilay "atsy ananonanona atsy" nosoratan'i kiriah
Izaho angamba mety hifindra, atsy ananonanona atsy
hiandriandry anao rehefa, iny ianao ka lany vatsy
dia hanolotolotra, hanome, izay lavitra tsy takatrao
amin’izay isika roa, mety hiova kilalao
Izaho angamba mety hifindra, atsy ananonanona atsy
Hanara-dia ity fisainako, matetika ka ratsiratsy
Dia hanarakarak’olona eny, indrindra raha toa ka sendra ianao
Dia hisolantsolam-bava, hiresaka izao sy izao
Izaho angamba mety hifindra, atsy ananonanona atsy
Hibalabala rorakely, hitifitifitra, hifantsy
Dia hampiresadresaka eo, ilay sipa akama lavi-kavana
Rehefa ela ve ny ela, tsy hivadi-dela ho rahavana
Izaho angamba mety hifindra, atsy ananonanona atsy
Satria tokoa toa nisy resaka, henokenoko koa mantsy
Hoe ilay olona izay, mitady hivaravaralila
Ka nieritreritra ny saiko, izaho hitady raha izy hila |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nee-ako-mangina-herizo/izy-ianao | "Izy & Ianao" | Giovanni | Fony ilay fitiavana vao niandoha
Ny hamamin'ny fitia rehefa niaraka nifoha
Ny fifandraisana eo himaso tany ampo tsy nifandao
No nitambatra ho "Ianareo" ilay "Izy sy ianao"
"Izy"
Ilay vahona mangidx nitambaran'ny mafaitra
Zanaky ny ambany tsy mahalala haitraitra
Mba te hatsapa izay mamy f'efa leo ny mangidy
Mbola manontany tena foana hoe iza marina izy
"Ianao"
Ilay loko hatsarana manaingo ny tontolo
Tsy misy mahahory fa hanananao daholo
Bika,voninahitra,haja,hantsaran'tarehy
Niaina-tsambatra amin'ny fiainana,fiadanam-be
"Ianareo"
Fitambarana samy hafa,mangidy sy ny mamy
Toetra tsy mitovy,f'ianao tsiky izy tomany
Fa nakamban'ny fitiavana hitambatra ho iray
Hifameno,hifanampy,hiara-dia mandrakizay |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/kisendrasendra-tahakizay | Kisendrasendra … tahak’izay | raozigasy | Kisendrasendra mamy
Mety hoe fahatany
Ilay seranao nandalo
Omaly tamin’ny valo
Kisendrasendra anefa
Ilay tsikinao niantefa
Nanojo izany masoko
Ka maina ilay andrasoko
Kisendrasendra koa
Ilay isika olon-droa
Tsy mifankahalala
Nefa tsy te hidify hiala
Kisendrasendra iny
Nefa nitondra tsiny
Sy nenina tafara
Hoe tahak’izay tantara |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/alamino-aloha-ny-fo | Alamino aloha ny fo | raozigasy | Ho setrin'ny "AHY sy IZY" nosoratan'i Kiriah
tsy hiditra tantara, na hitsabaka fiainana
fa amin'ny mahamanana, dia mizara fitaintainana
tsy fitia te hahalala, izay tsiambaratelo
fa te hampitraka amin'izay mampalahelo
ilay siakan-teny izay, no antony indrindra
hahalalanay fa, misy fery tsy voarindra
mitsako ny ao anatiny, mikaikitra ilay namana,
mankarary ny ainy, kanefa tiany ho tanana
dia mampahery izany, sisa angamba teny
azo anterinterina, eny an-tsisiny eny
mahereza ranabavy, izany moa ilay fiainana
alamino aloha ny fo, dia avy eo eto am-pisainana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/aoka-ho-meloka-aho | AOKA HO MELOKA AHO | KIRIAH | Ôh! Ifonako ry foko
Ireo sento sy toloko
'zay zakain'ny sorokao
Ao an'aliko mangina
Fo tsy zatra fijaliana
Tsy nahalala tsy fisiana
Reko sempotry ny ratra
Ady mady zay tsy zaka
Ka injao mijafajafa sy mitady handoaka tratra
Mahereza sombinaiko
Fa ny aingitry ny saiko
No mandidy sy mibaiko
Na dia tena mba lalaiko
Ny hamela anao hitia
Hiaraka hiriaria Amin' ilay tsy sarakao
Eny Ekeko ! : MELOKA AHO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izany-foana-ange-ny-fiasany | Izany foana ange ny fiasany | raozigasy | ho setrin'ny "hono" nosoratan'i kiriah
Dia iny fa manambitamby
Fa raha iny hono izy manana amby
Hozaraina sy homena
Voka-po fa tsy terena
Dia mitsapatsapa toerana
Hoe hatraiza no tsy ferana
Satria ianao mbola malemy
Ka hanaiky tsy hiteny
Dia mandamina mandango
Amin’teny tsara bango
Satria ianao mbola malia
Valalanin’ny fitia
Dia mitady hidi-dalina
Hoe handrotsy anao rahalina
Satria ianao matory irery
Kanefa mila jerijery
Dia miketrika hilalao
Amin’ny toraka bilao
Amin’ny fahorian’ny sasany
Izany foana ange ny fiasany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/tsy-ho-hadinoko-iny | TSY HO HADINOKO INY | KIRIAH | Tsy ho Hadinoko iny
Marina fa rava teo
Lay niarahana nanorina
Eny! Tapitra anikeheo
Lay fitia safomorona
F' any antsisin-tsiaroko any
( na hamongatra tomany)
Mbola hisy toeranao
Tahak'izao anio izao.
Tsy ho voakasiky ny taona
Fa na am-polo taona firy
Rehefa any tsika mihaona...
"tsy ho hadinoko iny" |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/didin-ny-ampitso | DIDIN NY AMPITSO | KIRIAH | Vaky sely ny safidiny
Resy lahatry ny didin' ny ampitso miantso nofy
Tsy ny lasa no farofy tsy ampy Hery ho enti-miady
Fa ny antson'ny ho avy no injao misarika azy
Tsy hitodika any aoriana
Hanohy ny dia ampitsikiana
Saingy kosa iry vimbininy irony tsiaron' ny fahininy
Ho saran-tanana fanasina
Ho fanomezana ho an'i masina.
Foa foa !!! masina ity !
Misandrata fahasoavana
Ho tody soa ianao rahavana
Eny an-dalam-piainanao
Soava tsara zay atao dia tsy ho azon-java-tsampona
Ny fanambinana aoka hanatona
Andalan-tsielam-pahasitranana
Tsy mitaky hasin-tanana
Fa vitan-tsara mira zotra amin'ny iretsy vaka-miarina
Tsarava soa ny fitahy mitsiritsirika antokonana
Hanafa-bela, hanafa-besatra izay mety ho fanozonana
Tsy mahazo mihinana voantomany
Tsy mahazo mandika alahelo
Fa kosa mahazo mitafy fahatsiarovana.
Ndao mandeha dia aza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/ahy-sy-izy | AHY sy IZY | KIRIAH | Marina fa rava lay niarahanay nianoka
Marina fa rodana ary tena tampotampoka
Kanefa izao no teniko:
TSIARO anay ireny
AHY dia AZY koa
Fotoan-tsaro-bidy sy tsy nanam-paharoa
Nanan-kasina tokoa
Feno zava-tsoa
Ka aoka angaha tsy ho tsiniko raha mafy ny fiteniko:
- tsy ilaiko idiranao fa tantara-tsamy ireriko
Tantaram-piainanay.
Tsy olanao ny fiainany
Tsy olanao ny fiainako
Tsy ianao no itarainany
Tsy ianao no itarainako
Fa AHY sy AZY izany
ANAY dia ANAY ihany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/mitady-anao | MITADY ANAO | KIRIAH | Notaomiko ny foko
Hifindra toeran-kafa
Hamoy anao fitiavany
Hamafa irony lasa
Fa indro nitalaho
No koa niangavy mafy
Fa tsy mahafoy anao
Sy toa nangasihasy
Matahotra aho lalaiko
Fa ndrao iantsoany TODY
Hiafara hatramin'ny aiko...
Naleoko mihitsy NODY
NODY: HAMONJY ANAO. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hetra | Hetra | raozigasy | Izaho aloha tsy handoa, raha ny hetram-panjakana
Ka tsy mampaninona ahy, na hoe tsy tan-dalana
Satria izay kely aloako, no atambatry ny hafa
Hampatavy azy, alainy tsy mihafa
Fa raha ny hetran’ny fitia, dia izaho tsy mitaraiky,
Raha haban’ny fitiavana, tonga aho dia manaiky
Aloako tsy mihamba, fa ilay tamba-tsiky entiny
Inoako avy hatrany fa avy dia hody ventiny |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fasanny-talenta | Fasan'ny talenta | raozigasy | teraka sy niainga avy amin'ny eritreritry ny namana mpanakanto iray
Lasa fasan’ny talenta i Madagasikara
Noho ireo kanto maro tsy voakarakara
Satria ny mpanakanto voaterin’ny adidy
Ka ilay talenta tsara, voapetraka tsy fidy
Lasa fasan’ny talenta I Madagasikara
Satria ireo mpanakanto, tsy mahazo izay anjara
Sandan’ny asa kantony, fa voadingan’ny mpandika
Ka tsy afaka manoatra, satria ts’isy aroriaka
Lasa fasan’ny talenta I Madagasikara
Satria ireo mpaka tahaka, mampiasa fitaovan-tsara
Ny mpamorona indray, avy eo mangataka atiny
Dia eny rehetra eny no milevina ny fatiny |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsoriko-aminao | Tsoriko aminao | raozigasy | Izaho akory tsy hilatsaka ho filoha
Na mihevitra hanongam-panjakana
Fa miresaka fotsiny izay tsy soa
Sy mihoatra fefy tsy ara-dalàna
Izaho akory tsy hanao propagandy
Na hanohana an’izatsy sy izaroa
Na hanao pinochio hitantara vandy
Na hanao hoe izaho no favy sy mahavoa
Izaho akory tsy hanao politika
Na hanangana antoko vaovao
Fa milaza mahitsy ireo fikafika
Sy tsy nety natao hatramin’izao
Izaho akory tsy hanohitra fahatany
Na mba te halaza sy te ho re
Fa manokatra masonao fotsiny ihany
Mba ho tonga saina ny be dia be
Izaho akory tsy anatina antoko
Na hitady seza dia mody miady
Fa miezaka fotsiny hampiova loko
Ilay firenena efa any an-kady
Izaho akory tsy misy olona tohanana
Na ireo taloha , na ireo vaovao
Ka aza asiana sakana io na bahana
Fa aleo aloha dia tsoriko aminao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/fitiavana-ve | Fitiavana ve? | Skual | Miangavy anao aho aloha hitony
sao taitra loatra ka hivarina
Ary aza manontany ahy intsony
fa hambarako ny marina
Raha mbola resaka fitia...
Ny vita aza nanenenako
fa matoa aho tia an-dry
dia tiako be aloha ny tenako.
Taloha aho mantsy raha nitia...
izany anie ka lalim-paka
Raha mbola iny nankafy!
tampotampoka eo voadaka
Isaky ny mba manolo
"ity angamba vao ho izy"
Hay mitovy be daholo
samy manome krizy.
Ankehitriny kosa aho tiana
mba anjarako ny toerana
aza midongy ho rarahiana
fa ny rafinao tsy ferana
Efa sasatra aho ny miarina
ka aleoko manala azy
Ny fitiavana amiko amboamboarina
vintana ny mariazy
Sao koa ianao jambena
ny tononkalo izay hiraiko
ka mbola hino sy hanantena
ny fitiavana lazaiko?
Raha mba fantatrao moa!
Aleo tonga dia hitsiako
fa anoratako avokoa
ireo vehivavy izay kaotiako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/hanoratra-ho-anao | Hanoratra ho anao | Skual | Hanoratra ho anao aho
f'izao aloha no fepetra
aoka isika tsy hifandao
fa ireto no mitoetra:
Finoana,fanantenana
indrindra ny fitiavana
Mifanohana mazàna
mifanitsy koa rahavana!
Hanoratra ho anao!
izay no tarigetrako
Anefa kosa mitalaho
aza itarafana ny toetrako
Fa tsy fidiny ho ahy
ny hanoratra tsy tapaka
Satria ny aingam-panahy
tsy mifidy izay harapaka
Hanoratra ho anao aho
fa ity koa no tandremo!
Ny mangidy itsakitsaho
ny mamy ihany no atelemo
Hanoratra aho,tsy hanenina
ianao koa mahavita!
Ny talenta aza afenina
fa avoahy re mba ho hita |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/lazaiko-anao-ny-marina | lazaiko anao ny marina | raozigasy | Setrin'ny tononkalon'i Adrien Ratolojanahary hoe "Halatra fitia"
Lazaiko anao ny marina
Fa ny oroka angalarina
Raha toa ka itarina
Ka ny fàna akarina
Dia mahavarimbarina
Sy mahakamo miarina
Mahatonga feo ho farina
Ka aleo ianao anarina
Aleo manao ny marina
Raha vao tojo sarisarina
Fitia tsy tena marina
Dia ny resaka aza itarina
Ny tapi-maso akarina
Fa fisainana mivarina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ahemotra-hono-ny-fifidianana | Ahemotra hono ny fifidianana | raozigasy | Ahemotra hono ny fifidianana
Izany ve tsy revy mpivarotra anana
Hoe androany mivarotra Analakely
Dia rahampitso any Isotry indray no mamely
Ahemotra indray amin’ny Aogositra
Izany ve tsy kozy sy resak’Ambositra
Resaka atao enti-manambaka
Ireo olona miandry sy mivanaka
Ahemotra fa tsy amin’ny jolay
Izany ve tsy resaka ala safay
Filam-baniny tsotr’izao
Lazao mora rehefa tsy hanao
Ahemotra hono, f’izay no marina
Izany ve tsy rugby an’Ambohimanarina
Ka rehefa tsy mety etsy Malacam
Dia aleo ahemotra dia milamina
Ahemotra indray, izany no nambara
Izany ve tsy revy eny am-body bar
Resaka entina hampisavoro
rehefa hiongana tsy afa-mijoro
Dia hahemotra mihitsy, f’izay no lany
Tapak’ireo mpivaro-bilany
Mpandidy , mpanapaka ka ekena
F’izay no hampandroso ny firenena
Ahemotra aloha ity indray mandeha
Dia rehefa zatra ny be dia be
Dia ahemotra kely fandroany indray
Dia toy izany foana mandrakizay |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mino-anao-tanteraka | Mino anao tanteraka | raozigasy | Mbola setrin'ny "raha toa tsy mino ianao" nosoratan'i kiriah ihany ee
Mino anao tanteraka ny foko sy fanahiko
Ary tsy misy akory izay kely hoe ahiahiko
Fa ny masonao , ny fonao izay mitia
Dia efa hahatsapako, ilay herin’ny fitia
Fa adala aho ry fitiavako, ka te hanantitrantitra
Sy te hamerimberina, ka tena ho tsara ranitra
Ka fitia hitsingerina an-jato taona maro
No ilanosantsika, miara-mifangaro
Tsy porofo no ilaiko, fa efa ampy ireo
Tsy ilaiko akory ianao, hiteny hoe jereo
Fa verimberin-teny, ilay mamy sy tsy foiko
Hoe ny fitiavantsika, kajiako sy koloiko
No tiako isambarana, ilay fitiavana mitia
No tiako itambarana, ilay fitiavana fa tia
No tiako ho alo-tsary, isan’andro mihavao
Sarin’ny fitiavana, fitiavako sy ianao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/sabotsy-mainty | Sabotsy mainty | Skual | Toa tsy hay ny tsy hiteny
manoloana izato haizina
gasy ray,gasy reny
no novonoina sy nofaizina
Tsy sanatria hamaky vala
fa fahafahana no iriany
vava-basy, diam-bala
no mba valim-pitakiany
Nitabataba ny vahoaka
mba niteny sy nanohitra
dia ny basy no napoaka
feno rà Ambotsirohitra
Ilay lamba volom-boasary
fahavalon'ny antery
no nalain'ireo marary
nanetsemana ny fery
Nitomany Gasikara
maizim-pito ny tontolo
f'ireto olon'ny tantara
toa voaripaka daholo
Mba fantatrao ve no niteny
nanome baiko ny amin'izany?
Ilay mpilaza ombieny ombieny
hoe:" minoa fotsiny ihany"
Dia mbola hino fotsiny ihany
amin'ity faty mikararàna?
Tsy ekena kosa izany
fa ilàna fanovàna
Ireo fitakiana nifanesy
no nahatonga ireto razana
ny tolona tsy maintsy mandresy
masina ny tanindrazana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tetezamita | Tetezamita | raozigasy | Tetezamita, tetezamita
Kely sisa dia tapitra vita
Hiova tsy ho ela ny fitondrana
Ho tanteraka ihany ilay fidradrana
Tetezamita, tetezamita
Fotoana fohy sisa dia dynamita
Hipoaka ny PHAT sy resa-poza
Baroa sy ny tariny olon-doza
Tetezamita tetezamita
Bobaka indray izao ny ho any am-pita *
Fa matahotra izay ho filoha vaovao
Raha tsy hoe hamadika palitao
Tetezamita tetezamita
Hipitsika indray ireo fa tafita
Ny saosy voaangona an-tapitrisa
Dia any an-dafy** sisa mamisavisa
Tetezamita tetezamita
Dia inona indray avy eo nefa no hita
Sa inona ny bizna vaovao
Hanovana kely ilay hatramin’izao
Tetezamita, tetezamita
Izany no politika mba fahita
Rehefa mba mitaky ny fiovana
Ny mahantra rehetra feno tanàna
*ilay any am-pita amin’io “Comores”
Fa raha Frantsa aloha dia “mort”
**ilay any an-dafy amin’io Afrika
Sao misy mihevitra zamerika |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tetezamiitatra | Tetezamiitatra | raozigasy | Ajanony ilay sima misioka
Ilay fandikan-dalàna hibirioka
Ajanony ilay fiady bontolo
Fa efa tofoka ange ny tontolo
Ajanony ilay banga mihomehy
Efa tsy alina intsony izao ange
Ajanony ilay manararaotra
Fa ny olona efa mitroatra
Ajanony ilay miloloha voatavo
Ry sola tsy ela dia ho lavo
Ajanony ilay samy malama
Fa boboka ny iray tanàna
Ajanony ilay rafotsibe
Hita tatatra handingana be
Ajanony ilay teteza-miitatra
Fa efa tobaka feno ny litatra
Ajanony ilay lalao volom-bava
Amin’ny saka izay matory lava
Ajanony ilay politika maloto
Fa ny fon’olona efa mivonto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/aleoko | Aleoko | Skual | Na dia mafy aza ny fiainana
ka mahalasa ny fisainana!
Na dia feno fahoriana
sy mampiondrika mangina!
Dia aleoko miaina ihany
hisedra izany rehetra izany
raha mbola am-bavanao
ilay teny hoe "tiako ianao" |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/tongava-saina | Tongava saina | Skual | Afak'omaly ianao solafaka
Omaly lavo,niosim-potaka
Izao mianjera,mbola tsy afaka!
Dia rahampitso koa ho trotraka?
Impiry mo ianao no leo
sy niandrandra fanovàna?
Fa nararaotin-dry zareo
nangalàna fitondràna
Ny fahaizany miteny
sy mandahatra kabary
no nanaovanao hoe "eny"
ka jereo ny vokany ary
Ny rà nalatsakao tsy fidiny
sarobidy sady ngeza!
Dia nanjary tsisy vidiny
f'efa azony ny seza
Isika samy isika
no miady tsisy fandeferana
f'ireo mpanao pôlitika
mahay mifampizara toerana
Be ireo fampanantenàna
saingy rano raraka an-tany
Tsy mbola misy fiovàna
fa ny omaly no androany
Miantso indray izao ny mpanohitra
Ianao no mody omeny lanja
Dia tarihiny hanani-bohitra
sy hitokona eny an-kianja
Asa ianao raha hahatsapa!
Asa ianao raha efa fay!
Sa...mbola ho entiny eny an-dapa
mba ho alatsa-drà indray? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/tinapaka-ny-hevitro | Senton'ny mody. | Ikalamako | Injay etý an'habakabaka
Fa manetoka ny foko
Vao nandao anao malalako,
Ka ny tontolo miova loko.
Rahom-potsy mitambolona,
Lanitra manga mitatao,
No sidinan'ito vorona
Mitondra ahy lavitra anao.
Tendrombohi-bato maro
Mbola saro-dranomandry,
Tsy mitsaha-mampahatsiaro
Halaviran-tsy misangy.
Nosy maro anivon-drano
Toa manakora anay ety ambony,
Tsy mba tsapany f'androany
Ny foko tsy mba mety ho tony.
Dia io lay tanànako eny
An-tsomambisamby miandry ahy,
Ny saiko sisa no manjehy
Andro hihaonantsika roa indray.
RevireVy - R.V |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nee-ako-mangina-herizo/namako-ianao-nefa | Namako ianao nefa... | Giovanni | Namako ianao fa tsy fantan'ny foko
Misy fitiavana anao ato fa tsy hinoako
Nefa hiraiko mangina ho kalom-pitia
Hamoronako nofy miray,miara-dia
Andeha ho dinganiko nefa tsy ho vita
Ilay onin'drano mitohy eny am-pita
Andeha hirobohako nefa aho manahy
Hitako lavitra saingy misy fatorana
Tsy azoko alaina fa toa tara-bolana
Ilay fitia mangina mahatonga toloko
Nokoboniko ela ho anao tato ampoko
Fiharahana mandrakizay no hiriako
Fa namako ianao saingy raisiko ho tiako
Hangatahako amin'ny Avo mba hiray hatrany
Nefa ho mpifankatia sa...ho mpinamana ihany? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aoka-hoy-aho | Aoka hoy aho | raozigasy | Aoka hoy aho ilay filafila
Fa ndeha omeo ny miaramila
Ny fitondran ity tanàna
Dia mialà eo fa sagnana
Aoka hoy aho ilay loham-boto
Fa ny fonay efa mivonto
Raha mbola ialahy no eo
Dia hipoaka ry zareo
Aoka hoy aho ilay mokon-doha
Sao tsy tanty ilay fifoha
Sy fitroatran’ny mangina
Firongatan’ny voakiana
Aoka hoy aho, ilay be bontolo
Fa tofoka ange ny tontolo
Sao dia ialahy sy khadafi
No hitovy ry leiry
Aoka hoy aho, ilay hambohambo
Sao ialahy voahazalambo
Ka tsy hipetraka hilamina
Fa tonga ialahy hoy aho dia saddam
Aoka hoy aho ilay sekoseko
Sao ialahy ka dia omeko
Ilay hafa-dratsy sy kafara
Ka hihomehezan’ny tantara |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/halako | Halako | raozigasy | Iny loko mena reda, eny am-paravodilanitra
Tena halako ka halako
Mandrotaka indray ny foko efa niadana salanitra
Iny fara lentiky ny johary, poa toa izay natelin-driaka
Malahelo aho ry malalako
Mandrotika indray ny aiko, te hitroatra ka hikiaka
Iny vavahady farany, manakatona ny andro
Aiza ianao mba ifaharako
Manokatra indray ny feriko, tsy mety sitran’ny mpanandro
Iny taratra somamby, tombok’asan’ny mpiambina
Mampahonena ity tantarako
Mankarary ny ao anatiko, irery ts’isy mpisakambina
Iny aizim-pito lavi-bolana, mampikitroka ny tany
Sa izao ve no anjarako
Mampanongoa , mampitatao, ny alaheloko ho tomany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/ratra | Ratra | Skual | Mety ho gaga angamba ianao
raha toa ka tafa an-taratasy
no alefako any izao.
F'izay vaovao ambarako eto
dia alahelo feno sento
ka tsy ho vitako akory
ny hilaza sy hitory
mivantana aminao
izao ratram-poko izao.
Diso tia anao ny foko
ka na inona adintsika
dia nekeko ho hadisoako
Tsy tiako ho rava sy hangatsiaka ilay fifankatiavantsika.
Anefa kosa ankehitriny
tsy ho toa ny faniriako
f'efa iny olona iny
no namafanao ny fisiako.
Mangovitra ny tanako
hanoratra ity teny ity
anefa tsy afaka sakanako
satria voadonan'ny fitia
Tena tiako ianao f'indrisy
tsy maintsy hofaranana
efa izao ny zava-misy
aleo mifampikopa-tanana
Izaho tsy mila ady
na...hamaly faty sanatria!
Fa mampatsiahy anao sahady
misy tody ny fitia
Tsy faniriako akory izany
tso-drano no afafiko
Fiadanana tsy lany
ho aminao sy ho an'ny rafiko.
Mety ho gaga ianao raha vao nitopy
ka taratasy mandomando
no tao anatin'ilay valopy!
Ireny no dian-dranomaso
izay nateraky ny ankaso,
sy porofo mba nindramiko
fa tsy moramora tamiko
ny tsy hitia anao intsony
Homba anao anie ny ao ambony.
Aza valiana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sakoa-izay | Sakoa izay | raozigasy | Sakoa izay fa bory koa ny tongotra
Mbola ho aiza anefa rehefa seza no miongotra
Sakoa izay, fa leo koa ny vazaha
Mbola ho aiza anefa no hanjo an’ialahy
Sakoa izay fa miala pà ny kil
Mbola ho aiza anefa rehefa mitsako bil
Sakoa izay, ... ouf kely sisa
Ilay plagen’ Nosilalava ho paradisa
Ho hitatsika misesy eto ny tohiny
Aparitaka ihany koa ny rohiny
Fa izay vaovao tsara dia ankalazao
Ny scoop rehetra koa mba ampitao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/boraka-fitia | Boraka fitia | raozigasy | Nasetry ny tononkalon'i kiriah hoe "raha toa tsy mino ianao"
Efa nindramiko izy, Fony ianao tsy nahalala
Ilay tao am-poko lalina, ilay saika lasa adala
Eny efa nindramiko, ilay mason’ny fitia,
Ny sain’ilay fitiavana, sy ilay fo tia ery
Fifanojoana angamba, no fondrony sy tsininy
Diso rindran-dalana, ny fararano sy ririniny
Ka ianao tara kely, izy lasa aloha,
Ianao izay vao taitra, izy efa nifoha
K’izao angaha no hafatra ! enjeho; malakia
Faingana ianao milaza, ilay boraka fitia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/ise-kay-maty | Ise kay maty | DotMG | ISE KAY MATY
Izaho lesy ity, toa efa tena miaolina (1)
Tsy efako irery ny milalao ny baolina
Raha mitohy ny olana, ho lasa "vache folle"
K'aleo ity raha ity, homena an'i Mailhol.
Nandao tsikelikely ny bandy akama rehetra
Toa tsy mandaitra intsony, ny an-tery sy amboletra
Aiza moa k'hitokona hatramin'ny mpandoa hetra
Ny hiafarako ity, toa Khadaffi no fetra.
Izao tsy re intsony ny baomba vita tànana
Fa niakatra grady, ilay "fahavalo manana".
Ireo mpiaro ny vahoaka, mpiaro ny fananana
Tsy hita ho baikoina, milaza leom-boan'anana.
Angamba izao ny ankilany mifaly sy mibitaka
Satria tsy mety intsony ny laingako sy fitaka
Ireo mpomba hatrizay, nitsoaka sy nisintaka
Ny heriko rehetra: nizara, nipatitaka.
Ny hany mba manohana, ny namana miraikitra :
Alika tsisy nify, banga tsy hahakaikitra
Angady tsy mahatapaka, tsy mba mpandray andraikitra
Tsy manana traikefa fa zatrazatra miaingitra.
Izaho ve no ela fiasa sy nitavozavoza
Fa tsy mandaitra intsony, ilay fomba lalam-poza?
Raha 'zao no mitohy, marina tsy ho loza
Ho tapaka tarangana, ilay mikirozaroza.
Izaho va re no zaza, tsy ampy fahamatorana?
Marina raha hitako izay làlana hizorana
Izaho ity mangidy, toy 'lay kitoza dorana
Halan'ny vahoaka, lazainy fozaorana.
Fanampiny ihany koa, izay mahalikiliky
Izay atao rehetra, toa misy fofon-diky
Ny advan anefa, toa lasa be reziky (2,3)
Ka any indray ravintana no imbetsaka mitsiky.
Ny tody ity toa misy, ny ataoko koa miverina
Ny tolona natao, ilay olona notoherina
Himpody ka masiaka, ho avy hitsingerina
Hambabo lehilahy, toa vongovongo merina.(4)
Dia hitako sahady, fa resiny aho, ho vizany
Io tampon-dohako io, dia eo no handihizany
'Reo hadalany lasa, haveriny, hotohizany
Ny fotodrafitrasako, ho simbany, hamanizany.
1. Miaolina, voambolan'ny mpanao beloty : manirery
2. Advan, tenin-jatovo avy amin'ny teny frantsay hoe adversaire : mpifanandrina
3. Reziky: vintana, anjara
4. Vongovongo: Pubis de la femme / fesses particulièrement rebondies d'une femme / fille ou femme ayant ce type de fesses ou un pubis relativement bombé (in A coeur ouvert sur la sexualité Merina, Madagascar: une anthropologie du non-dit - Malanjaona Rakotomalala). |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/maninona-anefa-ialahy-raha-miala | Maninona anefa ialahy raha miala | raozigasy | Maninona anefa ialahy raha miala
Fa aza eo no tena mody adala
Ajanony ilay resaka matavy
Sy ilay fampiesonana hoe conclave
Tsy pape ange ny fifidianana ho avy
F’izay hisolo an’ialahy , ilay hoe ho “favy “
Maninona anefa ialahy raha mandeha
Dia milamina ny vahoaka marobe
Dia ento any koa ingahy Didier
Sy ireo candidat hafa tsy mandeha
Dia aleo ny ambiny ho anay
Na tena mbola zavatra tsy hay
Maninona nefa ialahy raha mipitsika
Aleo mba handihy ireo hitsikitsika
Ho fararano amin’izay ny fifidianana
Fa efa dila ny tangena sy manganana
Dia mba ireo ahi-dratsy sisa ongotana
Satria efa lasa ilay mpitondra haromotana
Maninona anefa ialahy raha misintaka
Mba aoka leitsy izay ilay fitapitaka
Tsy aleo ve leisy miala moramora
Toa izay miandry daroka sy rora
Raha izao ialahy no miala tsy terena
Mbola azo atao hoe fitiavam-pirenena
Satria raha rahampitso izao ialahy no miala
Dia mbola afaka mibizna valala
Amin’izay ialahy tena heros
Fa deux fois ialahy nanao cadeau
Raha toa moa ialahy hiverina DJ
Dia miandry an’ialahy ny kil ao Paris |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dahfara/izay-tia-adala | IZAY TIA ADALA | dahfara | Tsaroako tena màzana
rehefa mba mitazana
ny faravodilanitra @ andro harivariva
F'ilay endrikao mamiko
toa indro mitsiky amiko
no sady toa miresaka @ feonao ivaiva
Ampoto-tsofiko ao
izao no lazainao ;
avia aty malala , aza misalasala
dia akimpiko ny maso
izay kotsan-dranomaso
ka vaka izany saiko,izay tia tokoa adala !!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/avadiho-ny-page | Avadiho ny page | raozigasy | Izaho tsy mpanaraka politika,
hatramin’izay
Fa maka sopapa sy fikafika,
izay hoe milay
fa tamin’ity resaka foza ity ,
aho niova kely
nanaraka akaiky sy naka fy
tsy hita velively
izaho tsy nianatra politika
ka hoe mahay
na koa niofana Amerika
eM.Bi.Ay
Na taizan-drenimalala
Ka hoe ENA
Fa “gazetiko” no takatry ny drala
Dia avy eo dia “Ngah”
Kanefa na izany mba miasa ihany
Ity “coco” kely
Ka dia mahita hoe be vinany
Ity DJoely
Sao dia heveriny aza ny gasy
Fa hoe “vynil”
Ka safosafoina amin’ny balaoasy
Sy atao “style”
Ka mba hiteny kely aho aloha anio
Ho rem-bahoaka
Soloy amin’izay re ilay “disqu’io”
fa efa goaka
ndehana mikisaka any amin’ny dezaka
f’efa maloto
f’aleo hilamina ilay hoe “ezaka”
fa loham-boto
fenitra tsy hita hatramin’izay
efa lasan-kary
ka arahina ahoana indray
aza be kabary
fa isintaho ilay tanàna
rehefa tsy poinsa
sao kofon’ny fandikan-dalàna
izay vao hicoince
dieny tsy difotra hatrany an-tampony
aloha ny loha
dia alaviro hatramin’ny akony
Iavoloha
Araraoty dieny izao
ity sakoroka
dieny fotoana dia ialao
ts’isy torotoroka
sao higadona eo ny tody
tsy misomonga
ka Antanimora ialahy no mody
vao saina tonga
tsy haiko aloha, fa izany ny ahy
ny fijeriko azy
dieny azo ialana, tsy mandeha rà
dia avadiho ny "page " |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andefimandriko | ANDEFIMANDRIKO | Fredy Jaofera | ANDEFIMANDRIKO
Efa hatrany am-piandohana
no efa didin’Andriamanitra
fa anjara soa be hatsarana
iny atao hoe : Veromanitra.
Mbola tsy hita nisy akory
‘tony biby sy ny voahary
dia efa nipetraka natory
ny fiarahanay an-tsary.
Tsy fantatra avy ny Olona
dia efa narindra ny izahay
hidoladola sy hamololona
eto an-tany mpampiray.
Mahavariana mahafinaritra
ny anjara, lahatry ny Avo ;
ka saotra lava no tsy aritra
fa sambatra aho sy ravo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/rahampitso | RAHAMPITSO | ZOZORO | RAHAMPITSO
Rahampitso indray dia ahoana ?
Mampiady saina mampaory
Endrey izaho ity reraka ...
Eny indrisy ... lavi-tory...
Ankinana amin'iza moa
Raha noana ireo na mitomany ?
Tsy kasihin-drampitondra
Fa adiko, hono, izany.
Izaho anefa tena trotraka
Eny ambivitra ilay aina
Kanefa ireto sombiniaiko
Mila ahy hatrany hatrany
Izaho anefa ity jereo
Zara indrisy raha mitsangana
Mihovitrovitra ny tenako...
Ny fanahiko mimaona...
Andriamanitra ô !
Ny rahampitsonay ahoana ?? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/feom-borona | FEOM-BORONA | Fredy Jaofera | FEOM-BORONA
Feom-borona any ho any
no manaitaitra torimaso
hamoha eto tsy hita lany
ireo adidy tsisy andraso.
Feom-borona any ho any
no manetsika ny tanako
hanoratsoratra aok’izany
‘zay ambara ho fiadanako.
Feom-borona any ho any
no miantsoantso te hihira
hamerimberina am-binany
ireo nataoko ho sovenira.
Feom-borona any ho any
no manainga hiasa indray
fa andraikitra eto an-tany
tsy azo ialana sy mivay ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/ny-fizarantaonako | Ny fizarantaonako | Ikalamako | Ny tsikin'ireo molotro,
Ny ranon'ireo masoko,
Ny hovitry ny vatako,
Ny senton'ny fanahiko,
Ny ankiafin'ny fiainako...
No norangotin'ito tànako
ka nampandriany an-taratasy
Ho loko maro tentina
hany amborahako
ny fizarantaonako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/te-hihaona-fotsiny | te hihaona fotsiny | raozigasy | Ho setrin'ny tononkalon'i Tahirintsoa ary atolotra an'i Soarilala
Te hihaona fotsiny
Hiresaka mangina, ny fihetsika sy fomba
Tsy hiloa-peo akory, nefa hitsikombakomba
Ny maso hifampijery, anatin’ny fikipîny
Ny tanana hifanena, hifanalavitra ny kitiny
Te hihaona fotsiny
Handresy sy hampitresaka, ilay elam-pahanginana
Feno filaminana, an-trenam-pamikinana
Ka ny tsy naloaka, sy ny tsy nambara
Rehefa ela ny ela, indreo fa voazara
Te hihaona fotsiny
Hizara ny tsy tanty, tanaty fiandrasana
Sy hanakatom-pejy, ireo elanelan-dasana
Tsy nahafaha-nanoatra, noho ireo bahabahana
Ka manararaotra mafy, vao mba nahazo vahana
Te hihaona fotsiny
Avy eo mifampitafa, sy mifanatsafa
Rehefa afa-tsakana, ireo nampijafajafa
Sy nampiolomay, niaretana hatrizay
Tsy te hihaona fotsiny fa te hihaona indray |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfra/hafatra | HAFATRA | rfra | HAFATRA
Nianatra aho sy nampianatra ho an'ireo zanako
Nizara ireo fahaizana kely ananako
Nampiseho tsy hanitsaka ny hafa
Ireo no fitaratra ho diavin'ireo zanaka
Tsy mba menatra ny miteny
Satria tsy mitovy ny fiteny
Raha misy ady hevitra sy fiteny
Raiso, raha misy lesona ny hevitrin'ny teny
Ninon'inona izay miantra
Dia mijoro sy mitraka
Ataovy hery mba tsy ho lanjaina
Fa mahatsara ny tena sy ny saina
Mifalia sy mivavaha
Andriamanitra dia tsy manda
Hafatra iray fa tsy ho ahy
Tsaroan'izy ireo foana mandrakizay
Mbola zaza izy ireo ka mila modely
Neny sy dada dia tsy manadino velively
Faraniaina RAKOTOARIVELO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfra/lasa-i-neny | LASA i NENY | rfra | LASA i NENY
Ilay masoko mijery
Mitomany anao ry neny
Tsy sahafidy fa lahatrin'ny Ray
Izay no lalana ho diavin'ny olona tsirairay
Maratra ny fo , fa lasa i neny
Neny , ilay malalatiana
Vatolampy tsy hay vakiana
Neny , ilay fitaratrin'ny fianankaviana
Faraniaina RAKOTOARIVELO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/norovitin-tselatra | Norovitin-tselatra | raozigasy | Setrin'ny KO DE FODIRA nosoratan'i Janahary
Norovitin-tselatra ny foko
Ka tonga dia niova ilay loko
Ilay hamaintimaintiny iny
Novainy ho fotsy virijiny
Satria
Hay fitia tsy manan-tsiny
No natselany ho antsika tamin’iny
Avy eo dia lokon-drà mena no nanaraka
Lokon’ny fotsika mifanaraka
Dia
Nisaorako ilay tsipikan-cupidon
Nahalalako ilay fitiavan-tena “bon” |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nampivandravandra | NAMPIVANDRAVANDRA | Fredy Jaofera | NAMPIVANDRAVANDRA
Taiza no nisy volana toy izao :
mody tsara ery eny imasonao ?
Fa vao mitodika fotsiny kosa :
latsa sy eso no heno misosa !
Mpaniratsira tsy hita ambara,
poizina iray hatrany am-para ;
anaka, hono, fa am-po marary
no nasesiny ka dia tsy nanjary.
Aleoko dia milaza ho tsy tia
toy izay mihatsaravelatsihy ;
‘zay tsiniko re dia hita intsony,
fa izao, hono, vokatry ny fony.
Ireny no nantsoina ho volana,
ka aiza moa no tsy nisy olana ?
Tsy fidiko ange no niantso izany
matoa aho eto toa be tomany ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/misaotra-anao-nahavita-6224 | Misaotra anao nahavita | raozigasy | Misaotra anao nahavita,
ry filohan’ny tetezamita
raha maty aho matesa rahavana
aleo isika aloha tsy ho mpihavana
fa samia miaro ny rambony
samia mizaka ny atambony
fa toa efa antomotra ihany
ity ilay faran’ny tany
ora sisan’izato tantarako
sy boraingina nifandaharako
ka aleoko lazaina ny marina
ny resaka re aza hitarina
fa tsy izaho no fototry ny afo
raha nidedaka may teo ny tafo
fa tao ny governemanta
nanery ireo vay mbola manta
fa izany hono no tokony hatao
amin’izao tetezamita izao
dia tao koa ny CST
fototra nampitete
ny efitra ho tratran’ny rano
ireo no tena fototr’angano
dia tao koa ireo miaramila
tsy azoko navilalila
fa nanaja ny sata sy zony
ka tsy azoko baikoina hono
ny CES sy HCC
ireo tena olon-dehibe
tsy ananako fahefana
fa tena tompon’ny lalàna
ny ahy moa izay kely mba vitako
no nentiko sy naparitako
ho an’ny Malagasy malala
ka izay no nahatonga ahy tsy hiala
fa hanohy ireo ezako manara-penitra
hevitra tsy temitemitra
fa efa voadiniko tsara
satria ho avin’ilay gasikara
ka raha nisy ny diso nitranga
ny tena moa tsy voatery ho manga
dia aoka lazaiko anareo
fa noho ireo olona rehetra ireo
fa izaho tena nanao izay mety
eran-tany aho efa nitety
Israely hatrany Roma
Nandehanako nitsaontsaona
Fa izaho efa niezaka mihitsy
Fa dia sendra ny be noho ny vitsy
Ka aza tsaraina ho diso
Na hoe olona efa masiso
Fa nandrindra fotsiny hoe ho tafita
Ity fiainana tetezamita
Ka isaory aho re ry vahoaka
Fa dia aza mifandroadroaka
Dia iny indray izao Rabefihavanana
Fa dia hanolotra Tanana
Hilaza hoe misaotra nahavita
Ry filohan’ny tetezamita |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/misaotra-anao-nahavita | Misaotra anao nahavita | raozigasy | Misaotra anao nahavita,
ry filohan’ny tetezamita
raha maty aho matesa rahavana
aleo isika aloha tsy ho mpihavana
fa samia miaro ny rambony
samia mizaka ny atambony
fa toa efa antomotra ihany
ity ilay faran’ny tany
ora sisan’izato tantarako
sy boraingina nifandaharako
ka aleoko lazaina ny marina
ny resaka re aza hitarina
fa tsy izaho no fototry ny afo
raha nidedaka may teo ny tafo
fa tao ny governemanta
nanery ireo vay mbola manta
fa izany hono no tokony hatao
amin’izao tetezamita izao
dia tao koa ny CST
fototra nampitete
ny efitra ho tratran’ny rano
ireo no tena fototr’angano
dia tao koa ireo miaramila
tsy azoko navilalila
fa nanaja ny sata sy zony
ka tsy azoko baikoina hono
ny CES sy HCC
ireo tena olon-dehibe
tsy ananako fahefana
fa tena tompon’ny lalàna
ny ahy moa izay kely mba vitako
no nentiko sy naparitako
ho an’ny Malagasy malala
ka izay no nahatonga ahy tsy hiala
fa hanohy ireo ezako manara-penitra
hevitra tsy temitemitra
fa efa voadiniko tsara
satria ho avin’ilay gasikara
ka raha nisy ny diso nitranga
ny tena moa tsy voatery ho manga
dia aoka lazaiko anareo
fa noho ireo olona rehetra ireo
fa izaho tena nanao izay mety
eran-tany aho efa nitety
Israely hatrany Roma
Nandehanako nitsaontsaona
Fa izaho efa niezaka mihitsy
Fa dia sendra ny be noho ny vitsy
Ka aza tsaraina ho diso
Na hoe olona efa masiso
Fa nandrindra fotsiny hoe ho tafita
Ity fiainana tetezamita
Ka isaory aho re ry vahoaka
Fa dia aza mifandroadroaka
Dia iny indray izao Rabefihavanana
Fa dia hanolotra Tanana
Hilaza hoe misaotra nahavita
Ry filohan’ny tetezamita |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfra/nosy-mamiko | NOSY MAMIKO | rfra | Ny tanindrazako dia tsy ho adinoko
Fa io ilay nosy niaviako
Ny tanindrazako malala
Dia i Madagasikara
Fitiavana sy firaisan-kina
No asehoantsika ireo tany hafa
Mitolona ho an'i firenena
Satria ny tanintsika no jerena
Ireo vahoaka sesehena
Aza ariana na am-pijaliana
Mijoro miady ho an'ny tanindrazana
Ny malagasy dia mazana
Ireo mpitondra ao ambony
Miady an-trano sy mifamono
Jereo ilay nosintsika fa mitoreo
Resy ve isika , sa mbola eo
Ny adiady efa ho lava
Ajanony fa mandrava
Ry Madagasikara malala ô !
Mitraka , miova
Andriamanitra hitahy
Harovy mba ho modelin'ireo taranaka
Izay ho taratr'ireo tany hafa
Ary koa isika mbola hiakatra
Faraniaina RAKOTOARIVELO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/famaky/andramo-eo-ry | Andramo eo àry!!! | Ankoay Mitia Mikolohasina | Aleo ny marina tsy ho afeniko, ary sao koa dia ho neniko
raha toa ka tsy voateniko
satria izaho mahalala, fa tsy hahasoa r'ikala
ny haningana ao am-bala
Ka ho atao dian-dambo, ity fitiavan-dranotrambo
mety hiteraka atambo
Ianao miteny hoe: "tia" nefa ny lalantsika akia
efa havanana sy havia
k'avy hatrany dia foano sao dia ahitana angano
f'isika samy an-tokantrano
Tsy nekenao nefa izany, fa ny andao andao ihany
no nataonao sesilany
Angaha izany kilalao? ka ny teniko d'izao
fampitandremana ho anao
Raha toa ka miamboletra sy manao an-terisetra
dia hihoarako ny fetra
raha toa ka tsy ho tana, sy tsy azoko raràna
dia anamparako filàna
ka aza omena tsiny aho, raha tsy hitsitsy anao
sy hanao izay tiako atao, amin'izato vatanao
na ambony na ambany, f'izay no mety ho fiafarany
Ataovy ihany ange e! nefa ... enga anie!!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yhardina/o-ry-dada | O RY DADA! | Yhardina | Tsy mba antra ve ny fonao zay loharano
F’ireto zanakao tsy mandry ambany tafo-trano?
Nefa mba anananao ny isitrian-doha
Nahoana re ry dada no dia manamafy fo?
Dia mirenireny mitady zay arapaka
Ny hany azo atao dia ny mangataka
Mitsindroka izay natokana ho ariana
Sisasisa,tsy ilaina,ny eny an-joridira
Sitrakao ve ry dada,ny tsy andre ny fitarainako
Ateraky ny ririnina,itanisan’ny fisainako
Hoe: dada any zay mitafy dia mibofoka
Zahay aty tsy mianjaika afa tsy akanjo rovitra
Kamboty no anarana nentinay hatrizay
Kamboty izahay anefa mbola velon-dray
Ray mahafoy sy tsy mahalala adidy
Mamela samy irery ho kamboty ny ankizy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/oviana-moa- | OVIANA MOA ?... | Fredy Jaofera | OVIANA MOA ?...
Oviana moa ianao no tsapa nanan-toerana ?
Didy sa safidy no mibaiko tsy azo ferana ?
Iny vorona iny anio mba mahagaga loatra :
Lasa dia tonga ary mikalo sy mivoatra !
Eritreritra mangina no misidina mankany ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/niniany | Niniany | raozigasy | Ho setrin'ny tononkalon'i hery hoe "Niniako"
Niniany nofafana ilay laharam-pinday
Niniany koa novana, ilay seram-pifandraisana
Niniany nodoroina, ilay sary anankiray
Niniany tsy ho hay, ilay lalana niraisana
Niniany nohamaizinina, ilay maintin-tsolomasony
Niniany notampenana hira vao ny sofiny
Niniany nohamainina, ilay vongan-dranomasony
Niniany noharatsiana, ny sary tao an’nofiny
Niniany nolokoina, ny habaky ny fony
Niniany nosimbaina, ny tahirin-tsainy
Niniany niandrandrana, ilay jeriny ho ambony
Niniany nosoloina, ireo kalo zatra hirainy
Niniany nopotehina, ireo tsiaro mamy taminy
Niniany nodoroina, ireo takalon-teny
Niniany noravana, ilay dina efa nomaniny
Niniany nozimbaina, ireny rehetra ireny
Niniany nohadinoina ireo lasany fahiny
Niniany nototofana androany vaovao
Niniany tsy tsaroana, ireo mamy, s’ireo tsiny
Niniany novonoina, niniany noho ianao
Niniany ka niniany,
na dia mbola tiany
Hangalarana fijery,
hitenenana irery
Niniany sy nataony,
ireo zava-tsy fanaony
Niniany ka niniany,
satria ianao efa tiany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/dia-gaga-ianao-hoe-rahoviana | Dia gaga ianao hoe rahoviana | raozigasy | Dia gaga ianao hoe rahoviana
No hisy lamina tiliana
Sy fiadanana azo andrasana
Ankoatry ny hoe rehefa any am-pasana
Dia gaga ianao hoe rahoviana
No hisy hanina vidiana
Sy harotsaka am-bilany
Amin’ity an-tanan-dany
Dia gaga ianao hoe rahoviana
No ho tantera-paniriana
Ireto valalabe tsy mandry
Ka am-pahalemena no handry
Dia gaga ianao hoe rahoviana
No ho lasa tsiky ny hakiviana
Zary ravaky ny endrika
Sy sento Malagasy rendrika
Dia gaga ianao hoe rahoviana
No tsy hisy lio hikoriana
Hanjezehana ny tany
Mitaky izay mba fiovany
Dia gaga ianao hoe rahoviana
No hisy olona mba liana
Amin’ireto zo vingaina
Ts’isy mpamonjy an-karankaina
Dia gaga ianao hoe rahoviana
No hisy sata tsy hambaniana
Fa hapetraka amin’ny hasiny
Akarina amin’ny tsikasiny
Dia gaga ianao hoe rahoviana
Ity poeta vao hangina
Fa hitabataba lava
Sy hitatatata-bava |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njarakelly/dclaration | Tiako loatra ianao | Njarakelly | Fiteny fandre sy tena mahazatra ny mpifankatia
Ny hoe “tiako ianao” sy ny hoe “ho mandrakizay doria”
Fa ny ahy kosa rahavako,
teny tsotra ihany no amborahako aminao izato fitiavako:
Fantaro fa ilay fotoana voalohany nahalalako anao,
No namoha ilay fitiavako mbola rendrika sy sondriantory tao
Iny andro iny koa dia ampy nandresy lahatra ahy,
Fa inao no anjarako fa tsy olonkafa intsony.
Tsy haiko ny ampitso, sy izay ho avoakan’ ny ho avy,
Fa ny fitiavako anao kosa hohavaoziko isan’andro.
Ny fiainako tsy misy anao ve? Tsy sahiko sainina akory izany,
Ianao mantsy ilay tsy manan-tsahala,
fa hany tokako eto an-tany.
Ps: Tiako loatra ianao ary fantatro fa tsy hahay hitia olonkafa toy izao itiavako anao izao intsony aho!!!!!!!!!!!!!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hanody | HANODY | Fredy Jaofera | HANODY
Hanody azy ihany,
tsarovy tsara izany
ny vava nasesiny
sy naverimberiny.
Hanody azy mafy
rehefa tsy nihafy
ny latsa natolony
maro teo imolony.
Hanody azy irery,
na miseho mahery
ny ratra natosany
sy ny fosafosany.
Hanody azy tsara
fa tsy hoe tantara
ny ozona nomeny,
na dia tsy ekeny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/alina | ALINA | Fredy Jaofera | ALINA
Reradreraky ny asa,
mivadibadika tokoa ;
mieritreritra ny lasa,
tsy matory fa mifoha.
Misaintsaina vetivety
ny ampitso eto indray
mbola hanao ny mety
sy ny adidy ranoray.
Mangingina samirery
sy feno sento mihitsy,
toa mamelona ny fery
sy ny ratra vitsivitsy.
Mihevitrevitra ny tsara
sy ny rehetra mahasoa
hahamiratra ny anjara
isan’andro vao mifoha. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-tsy-nisy | RAHA TSY NISY | Fredy Jaofera | RAHA TSY NISY
Raha tsy nisy moa ianao
dia tsy nisy ny fitiavako
fa ho rediredy izay natao
sy tsy nitsiky 'tony tavako.
Raha tsy nisy moa ianao,
tsy nihiratra ny androko,
ny hakiviana tsy ho tsaho
sy hafa ny masoandroko.
Raha tsy nisy moa ianao,
tsy tonga izay fiadanana
fa ho hetaheta mora lao
ny tigetra efa notanana.
Raha tsy nisy moa ianao,
ny fo ravo ho nofy ihany,
ny ahiahy tsy ho nandao,
nisy foana ireo tomany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-soa-atao-levenam-bola | NY SOA ATAO : LEVENAM-BOLA | Fredy Jaofera | NY SOA ATAO : LEVENAM-BOLA
Ny soa atao : levenam-bola
sy hafaliana tsy hita ho tola ;
ny soa atao : levenam-bola
toky iray, na rehefa ho sola ;
ny soa atao : levenam-bola
n’aiza n’aiza, sady angola ;
ny soa atao : levenam-bola,
na ahoana, tsy hampanjola ;
ny soa atao : levenam-bola
rakotra hira ....Doladola !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/inona-re-no-hatao- | INona re no hatao ? | raozigasy | Inona re no hatao ?
Fa ity filohako, filohanao
Tsy matotra amin’izay atao
Fa sain-jaza tia milalao
Inona re no hatao ?
Fa ilay fifidianako, fifidiananao
Toa tsy hay hatramin’izao
Rehefa ela angamba ho tsaho
Inona re no hatao ?
Fa ireo candidat-ko, candidat-nao
Toa maro sy bebelazao
Be resaka sy be bilao
Inona re no hatao ?
Fa ilay tanindrazako ahy sy anao
Maty tsentsefin'ny hao
Nitondra azy hatramin’izao
Inona re no hatao ?
Vaky ny saiko ry nao
raha mahita vahaolana ianao
zarao iaraha-manao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfra/fitiavana | FITIAVANA | rfra | FITIAVANA
Ny fitiavana ao anaty dia tsy afaka hafenina
Ka ny fitiavana tsy maty, mandra-maty
Ao koa ny fitiavana
Ny ankohonana sy ny havana
Ary ny tapaka sy namana hanome fitiavana
Ny fitiavana mahery
Raha koloinao dia tsy ho very
Ny fitiavana no hery
Hampiray antsika, irery
Faraniaina RAKOTOARIVELO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ianao-irery-akory | TSY IANAO IRERY AKORY | Fredy Jaofera | TSY IANAO IRERY AKORY
Tsy ianao irery akory no voninkazo misy
mbola ilaina hotiavina fa feno koa ny lisy
handravaka ny fo sy hamelona ahy mangina
‘reo karazan-tsangitsangy tsapa ho fifaliana.
Tsy ianao irery akory no mba tovovavy hita
ilaina koa ho namana sy nirina hiara-mita
fa misimisy ihany, tsy haiko intsony ery
na amin’iza indray no mikasa hiara-dia.
Tsy ianao irery akory no reko ho tsiazonafo
manjamanja etoana sy azo ambara ho lafo
fa misy foana ange ny miandry lalandava
mahay mikalo, tsy manan-tsaina handrava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfra/mino | MINO | rfra | MINO
Fitiavana avy amin'ny Avo
Isaoranay anao ry Ray
Tahiana isan'andro
Ianao no mampatsiahy
Asandratray re ny fo
Vavaka no mampiray
Ampianaro tsy ho toa
Ny fiadananao izahay
Andriamanitra dia soa
Fiderana ihany koa
Ianao Rainay jesoa
Diamondra mahasoa
Endrik'izao tontolo izao
Ray malala ô ! fahasoavanay
Anio sy ho mandrak'izay
Nisolo voina ho anay
Andriamanitra anie Ray, tsy toa
Faraniaina RAKOTOARIVELO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfra/dada-sy-neny | DADA SY NENY | rfra | DADA SY NENY
Dada sy neny dia fitiavana
Izay mananatra ary koa mampihavana
Miteny am-pahendrena sy am-pitiavana
Amiko izy ireo , dia mendrika ho firavaka
Dada sy neny no masoandro nivoahako
Mitondra ny mangidy sy miady isan'andro
Fitaratra ho ahy sy ho fiarovako
Izay fototrin'ny aiko ka ho hajaiko
Dada sy neny no modely
Mendrika hajaina fa tsy hoe "anjely"
Tsy mba manavaka na ny lehibe na ny kely
Mamy sy tokana i dada sy neny
Faraniaina RAKOTOARIVELO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/miaiky-aho-izay | Miaiky aho izay | raozigasy | Miaiky aho izay
Biby tsy manan-doha tsy mandeha
Filoha tsy manan-tsaina ndeha mandeha
Mpitondra sadasada, maramara
Politika Malagasy « j’en ai marre »
Ny candidat hofidiana be dia be
Ny olona hifidy “illetré”
Ny propagandy tobaka “etalage”
Ny olona mihaino tsy « à la page »
Ny programme tsy hita izay mazava
Ny izaho fidiana, nefa vazavaza
Fifanaratsiana no bobaka sy re
Na ny sofiko efa leo tena “bouché”
Kanefa ny vahoaka toa milamina
Ny efa manana moa mihaminkamina
Ny mpitrongy misambotra valala
Amin’izay tsy mandanindany drala
Izany sisa sary hita tazana
Ankoatr’ireo tany ngazangazana
Namidy tamin’ny firenena manam-bola
Sy ny alam-bois de rose solasola
Dia ahoana moa izany ny ho avy
Ny androany moa efa vita sy matavy
Izao ve ilay firenena hoe hilay
Dia mangina sy miaiky aho izay |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ny-soratra-sakaiza | Ny soratra sakaiza | raozigasy | Ny soratra : sakaiza,
satria na efa hatraiza
ny teknolojia,
ny soratra sonia,
rangotra sy hafatra
singa mahalafatra
sy tsipi-panohizana
ary fitohizan’
ny tantara hisy
sy ny omaly indrisy ….
Ny soratra : sakaizako
zanaka mba taizako,
zara nahalala
ireo edim-poko adala,
ireo bitaka tanatiko,
ireo jaly izay tsy tantiko,
toky fitoniako,
alohan’ny hatoriako,
sy vavaka irariako
alohan’ny hikimpiako
ny soratra : sakaizako,
satria ny hatraizatraizako
dia nampitainy an-teny,
teny rehetra teny,
ka nahafahako nizara,
ireo hevi-tiako ambara,
ka nahatonga antsika,
nihaona an-tsariaka,
mizara izay fananana,
dia ilay soratry ny tanana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfra/latsaka-aho | LATSAKA AHO | rfra | Tao anatin'ny fahoriana
No nahatsapako fa Latsaka aho
Miady tsy nisy nijery
Aiza anie ianao ry hery
Niakatra aho dia manakatra
Mba ho tafakatra
Mitady ireo manodidina
Anefa aho vao mainka nidina
Soa fa eo ireo sombiniaina
Hany sisa nanome ahy ny aina
Nisintona ahy mba hiakatra
Hiandrandra indray ireo zanaka
Faraniaina RAKOTOARIVELO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aleo-mifidy-olona-vaovao | Aleo mifidy olona vaovao | raozigasy | Ny Governemanta migoragora
Ny miaramila mibala rora
Ny lalam-panorenana voadika
Izany va re no hoe politika ?
Ny firenen-kafa efa lany haiky
Amin’ilay fisainana izay taraiky
Hatramin’ny valala efa tsy manaiky
Migrevy manidina akaikikaiky
Ny vahoaka mihinana ny tsy tiany
Sa kaikitr’ilay amboakely tiany ?
Tsy hita izay marina azo ambara
Ny ampitso sisa no aoka hitsara
Isan’andro mitobaka ny vaovao
Mitanisa izao rehetra rehetra izao
Hoe tsy misy mety hono izay atao
Kanefa dia mbola mijanona ao
Maninona anefa raha toa mandeha
Ny saosy voaangona efa be dia be
Sao iverenan’ny 10 aogositra
Izao mbola tsy tara raha toa handositra
Dia ento ny namana sy ny akama
Indrindra ireo foza malamalama
S’ireo mpamadika palitao
Aleo mifidy olona vaovao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mirary-soa | MIRARY SOA | Fredy Jaofera | MIRARY SOA
Mirary soa anao no faniriana eto ombieny
In-jato, tsisy farany, ambarako amin-teny ;
Manàna fahendrena, mahaleova, mahalasàna
Isaory izay safidy raha izay no mahatamana ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izany-ka-filoha | Izany ka filoha | raozigasy | Izany ka filoha
Mahay manapatapaka , sy mandidididy
Ireo mpanao lalàna, sy mpampanoa ny didy
Izany ka filoha
Mahay midongy toerana, sy mihoatra fefy
manao bodongerona, sy jadon-tsy voarefy
Izany ka filoha
Mahay lohan’ampondra, mafy hoza-doha
mody miandry farany, amin’izay voaloha
Izany ka filoha
Mahay vavam-boloky, pentsona sy kinga
kanefa ny tanteraka, poak’aty sy mandringa
Izany ka filoha
Mahay lohan’alika, miverina amin’ny sisany
ka manara-penitra, amin’ny tanisany
Izany ka filoha
Mahay lohan’angidina, tia miriorio
tsy mahita lavitra, ankoatry ny anio
Izany ka filoha
Mahay lohan’ondry, manao totobory
ka misosososo, tsy hita hoe akory
Izany ka filoha
Manao lohan-dambo, tia mitrongitrongy
kanefa diso tetika dia avy eo midongy
Izany ka filoha
Manao lohan-tsaka, tia misolelaka
amin’ireo hafa, tsy ho ela dia hamelaka
Izany ka filoha
Manao loham-borondolo, miseho tsara fijery
Kanefa kely sisa, dia handeha irery
Izany ka filoha
Manao loham-boalavo, tia fakofakon’olona
Ka mizarazara ,sisantsisan-tolona
Izany ka filoha
Manao lohan-gidro, tia miakatrakatra
Nefa ny ambany maso, tsy misy iray mba rakatra
Izany ka filoha
Manao lohan’amboadia, mitafy zanak’ondry,
Misompatra ny kely, fa manana totohondry
Izany ka filoha
Manao loham-boay, hanao ampihi-mamba
Toy ilay iraika lahy taloha, efa jambajamba
Izany ka filoha
Manao loham-bibilava, mandady sy misoko
Na dia efa hita izao, fa tsy tian’ny antoko
Izany ka filoha
Manao lohan’akoho, mihira anaty fako
Efa difo-doto, mbola misarako
Izany ka filoha
Manao lohan-tsokina, tia manani-bato
Nefa ho tapi-dalana , rehefa ato ho ato
ka raha samy loham-biby, aleo aho ho filoha
mba ho voromailala, fa tsy menarana do
dia aleo izay kely haiko, hanaovako baroa
fa impiry tokoa moa izaho no ho filoha |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-izaho-intsony | TSY IZAHO INTSONY | Fredy Jaofera | TSY IZAHO INTSONY
Tsy izaho intsony raha ny tena izy
no hanatontosa izay mbola sitrakao ;
tsy izaho intsony f’efa sain’ankizy
raha nialana no ilaina tahaka izao.
Tsy izaho intsony raha ny tena marina
no hanampy raha tojo izay tadiavina ;
tsy izaho intsony fa efa nampifarina
sy olon-kafa indray no efa notiavina.
Tsy izaho intsony, tsarovy lalandava
no hanao ihany ny maminao rehetra ;
tsy izaho intsony f’efa potika sy rava
‘zay tantarantsika ka any manjoretra ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/reny-neny-teny | Reny, Neny, Teny | raozigasy | Reny
Neny
Teny
Teny telo tena samy fototr’aina
Fakan-dimby telo samy lovan-tsaina
Sahalain’ny fo anefa mba hitovy
Tsy anavahana an’iza na an-jovy
Reny
Loharano nipoiran’ny fisiana
Angovon-tamby nahato ny faniriana
Vodi-vato orim-pijoroan’ny andry
Hery vaika nampahatanjaka ny sandry
Neny
Ilay tokana izay nanome ny aiko
Ilay nampianatra ahy ireo zavatra tsy haiko
Ilay nikendry hatranihatrany izay ho tsarako
Ilay namorona ireo zahatra ifaharako
Teny
Izay fototry ny sata ijoroako
Izay hasina mirakitra ny zoko
Izay mpizara ireo tsy tantin’ny foko
Izay mampiorina ahy amin’ny finoako
Ka salanitra ianareo androany
Sambara mandra-mpandao izato tany
Arahabaina noho ity tonon’andron-diary
Soava tsarà, tsy harofy tsy harary |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/samia-mahita | Samia mahita | raozigasy | Dia eo ianareo samia mahita
Hoe hijanona eto sa ho any am-pita
Ny tanjona mantsy dia ny hoe tafita
Ka samia mahasaky sy mahavita
Dia eo ianareo ka jereo tsara
Izay lala-masaka mety ho anjara
Sao rehefa tonga ny ao afara
Ka dia hanenina aman-kafara
Samia mandinika izay ampitsony
Samia mikajy izay afitsony
Diniho hatramin’ny pitsopitsony
Sao diso paika ka dia ahitsony
Samia ary maka izay sahaza
Fa izahay nampiseho sy mba nilaza
Hijanona eto ve sa hisinda ?
Eto Gasikara sa ho any Finda ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/halako-ianao-ry-poeta | Halako ianao ry poeta | raozigasy | atolotra an'ireo poeta mampiainga fanahy rehetra ee
Halako ianao ry poeta
Misompatra mitetateta
Mandrava ny saiko milamina
Sy ireo tetiko tsara nomanina
Misolana misoratsoratra
Manakorontana saina
Rehefa iny aho mbola malaina
Halako ianao nefa tiako
Fa notairinao ireo faniriako
Hoe hitokam-po amin’ny penina
Hilaza izay tiana tenenina
Halako ianao nefa ilaiko
Fa ilay ainganao toa mibaiko
Ny teniko mba hikorisa
Hitantara ireo visavisa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bangotokana/tantara-tsy-voafafa | TANTARA TSY VOAFAFA | BANGOTOKANA | TANTARA TSY VOAFAFA
Misy tsiky te hitranga ao anaty alahelo
Hasambarana tsy banga totofan-drahona sy helo
Atosika ho lavo tsy mety sia fa miorim-paka
Injao reko manjavozavo, mibahana ao an-tratra
Akipiko mangina ny masom-pitiavana efa foy
De ny hifandao ry tiana, tantara tsisy roiroy
Nefa toa maneno foana ny lakilosim-pahatsiarovana
Fa feno aloka ny taona ,potipotika torovana
De inona no hatao hinia handratra tena ?
Ka mody hoe hifandao hiala an-daharana sy hihenahena
Nefa tia no lazaiko anao tsy misy efitrefitra
Efa iray za sy ianao na fo io na eritreritra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mifohaza-ianao-ramalagasy | Mifohaza ianao Ramalagasy | raozigasy | Mifohaza ianao Ramalagasy
F’aza ilaozanao milasy
Kamokamo mivaloharika
Nefa ny rano efa halohalika
Mifohaza ianao Ramalagasy
Aoka izay ilay be "fidasy"
Fa ny trambo efa mandady
Nefa ianao tsy hita hiady
Mifohaza ianao Ramalagasy
Ilao ady ireo “fokasy”
Aoka izay ilay fahalemena
Ireo hitsakitsaka aza ekena
Mifohaza ianao Ramalagasy
Sa mety aminao ilay “pasy”
Hoe handefi-dalandava
Sy hikombona ny vava
Mifohaza ianao Ramalagasy
Sao hanenina sy hangasy
Raha mitohy lava ity tetezana
Ka ataon’ny olona fihomehezana
Mifohaza ianao Ramalagasy
Mibetroha, raiso ny basy
Sa ianao moa tsy mbola leo
Ity “tsindrio fa lavo”n-dry zareo !
Mifohaza ianao Ramalagasy
Fa mankaleo ity balaoasy
Sy bilao atoraka isan’andro
Mosavy tratry ny masoandro
Mifohaza ianao Ramalagasy
Ireo rehetra fopla roasy
Fa aoka izay ireo “parade”
Mba tezera, ndehana miady
Mifohaza ianao Ramalagasy
Sa ny fonao ve glasy
Sa efa donton-donilony
Ka efa tsy mafana intsony
Mifohaza ianao Ramalagasy
Mandraisa andraikitra “en fasy »
Aongany ireo izay tsy mamely
Sy dongadonga fa tia-kely
Mifohaza ianao , mifohaza
Sa tsy mba leon’ny resa-jaza
Sy fitondrana kilalao
Ka dia hijanona amin’izao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-reny | NY RENY | Fredy Jaofera | NY RENY
Ny reny no silak'Andriananahary
natao hamololona ny tany rehetra ;
manam-pitiavana no voabaribary
fa mamy tokoa ary tsy misy fetra.
Ny reny no ananganana tranomanara,
tsy ilaina hoderaina fa atao ao am-po ;
mahalala mizaka no mbola voambara
ho azo itarainana raha misy manjo.
Ny reny no natao mpamafy ny vary
ho tena masoandro feno hafaliana
kanefa matetika fa ny tsiparifary
no tena jinjainy ao anaty mangina.
Ny reny no fanome valim-bavaka
handrakotra mora ny lanitra soa ;
na lasan-ko vovoka, hitanao miavaka
ho lafo dia lafo no tsy hisy indroa ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njarakelly/adinonao-ve- | Adinonao ve ? | Njarakelly | Mbola azo antsoina hoe mpifankatia ve isika ankehitriny?
Tsapako mantsy fa niova ianao, ary toa adinonao ireo fahiny,
Tamintsika nifandao aza moa tsy nisy oroka, na toky voalaza,
Eny fa na dia hoe mandrapihaona ihany aza.
Fa inona no nanjo antsika?
Ilay fiativana niredareda,toa lasa zary mangatsiaka,
Miangavy, mba valio aho ry tiako,
Fa mila tsy ho zakako raha izany fijaliako.
Adinonao ve irony lokaloka, toky sy nofinofy mamy
Sa ve izy ireny dia antendromolotra ihany?
Fantaro anefa fa raha ny fitiavako anao,
Tsy mbola nihena hatramin’izay ka hatramin’izao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vavaka-poeta | Vavaka poeta | raozigasy | Ho setrin'ny hafatr'i kiriah
Dia aoka isika hivavaka
Dia hakarintsika miavaka
Ilay hevi-tsara ravaka
Hanakatra ilay habaka
Vao izay isika poeta
Mandefa ainga an-teta
Mivezika etsy eroa
Mangarona ambiroa
Vao isika mandrefy
Ireo hery lefilefy
Sisasisan’embona
Laingo tsy nitrebona
Vao izay isika mitonana
An’ainga tsy hay takonana
Misosososo an-tsidina
Miakatraka-pidina
Vao izay isika miresaka
Ireo tafa te hitresaka
Angola nofongarina
Natosiky ny marina
Dia atao fintimpitim-bango
Ilay teny feno lango
Hoe revina poeta
Mpanala hetaheta |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dano/rehefa...malahelo | Rehefa...malahelo... | dano | Rehefa injay fa tsiaro anao
Malahelo mitalaho,
Mijerijery ilay sary
De manantena any ho any.
Rehefa tojo ankiviana
Malahelo olon-tiana,
Lasalasa izato saina
De ianao no hantenaina.
Rehefa rehako ilay embona
Malahelo mapihevona,
Aminao ny heritrerita
De inoako tsy hilentika.
Rehefa indro aho fa hanina
Malahelo fanimpanina,
Midobodoboka ny fo
De ianao no ato andoha. Dano 03-02-2012 |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bovalox/volana | Volana | Bovalox | Raha mbola izaho variana nitazatazana
Sodokam-bezivezy sy tabataba maro
No nanjelatra tampoka taty amiko ny volana
Ka zary toa tsy nisy ireo zava-mifangaro
Sodoka ery 'ty zaho nandinik'azy
Tsy haiko hazavaina ity tara-bolafotsy
Eh! Sambatra aho ry lahy,tena tsy vazivazy
Nianoka tanteraka sy voarotsirotsy
Hadinoko mihintsy nanomboka teo angeh eh;
Fa ny tongotro hay mijoro eto ambonin'ity tany
Tsy voazavam-pitenenana mihintsy ny hoe:
Hasambarana, hasambarana, tsy misy ohatr'izany!
Nitady sezakely ary aho mba hipetrahako,
Hangalàko fy sy hitsetsefako ny hakantony,
Arahi-mozika tsara rindra sy manako
Safononoka mijery ity hosodoko izay arantiny!
Fa tamin'izaho ilay variana be nitsentsitra,
No indro nihazakazaka ity rahona hafahafa
Taitra tampoka aho no sady lasa eritreritra
Hoe iza koa ity mpisompatra mamotika ny tafa ?
Sinimbany tanteraka sady tsy nampoiziko
Ity hasambarako nanenika ny atin'ny fanahy
Raha fantatro mialoha dia tsy novoiziko
Hanatona azy akaiky ny lakako ry lahy!
Tazaniko eto foana anie ianao isan-kariva eh,
Dia nieritreritra aho fa hoe mipetra-drery
Hay ilay silakao misioka mora toa antsiva
Avy any am-pitan-dranomasina mifono mistery ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ny-foko-ange-tsy-fandriam-bahiny | Ny foko ange tsy fandriam-bahiny | raozigasy | Ny foko ange tsy fandriam-bahiny
Ka hamantanantanan’ny azon-tsiny
Hoe taraiky tany, dia aty no mialoka
Ka ho zohy fieren’ny azon-kapoka
Ny foko ange tsy amponga mihantona
Ka voa any ianao dia aty manantona
Hoe io hijanona eo foana
Ka hiselontselonana rehefa noana
Ny foko ange tsy “roue de secours”
Ka rehefa vizana torotoro
Dia aty no mitanina maka ambiance
Sao dia mba mivadika bonne chance
K’ilay filan-draha raha tsy mahita
Ilay hoe tonga aty rehefa vitavita
Aleo faranana amin’izay
Sao hivadika hafa ka hahamay
Aza mba mihevitra azy ho donto
Fa raha tezitra ange io ka mivonto
Dia tonga ny sainy koa dia maloto
Ka mampiasa hevitra botoboto
Ka dieny tsy tonga amin’izany
Zory ny lalana , mialà any
Ianao sy ilay fihevitra ambany
sy ilay resakao be vinany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lehibe-ny-firenena | LEHIBE NY FIRENENA | Fredy Jaofera | LEHIBE NY FIRENENA
Vonona aho ny hijoro
ra’ izay no hampikoro
ny ratsy izay tsy ekena
fa lehibe ny Firenena !
Vonona aho ny hijaly
raha izay no hampifaly
an’ireo mila famonjena
fa lehibe ny Firenena !
Vonona aho ny hitolona
ra’ izay no ilain’ny olona
miandrandra fandresena
fa lehibe ny Firenena !
Vonona aho ny hiaritra
raha izay no tsikaritra
hahasoa tsy hay fefena
fa lehibe ny Firenena !
Vonona aho ny hilahatra
raha hahatsara zavatra
an’ireo ory mahonena
fa lehibe ny Firenena ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasina-andrianarivo/tsiahy-ani-rivo-ramandiamanana | Tsiaro an'i Rivo Ramandiamanana | Hasina ANDRIANARIVO | Fahatsiarovana an’Itompokolahy Rivo Ramandiamanana
Mpamoron-kira - Mpampianatra mozika
1-Mitsingerina androany ilay androm-pahoriana
Izay nandaozany ity tany, niaretam-pijaliana
Alahelo sy tomany, niharo sento tsy hay lazaina
Toa tsaroako toy ny omaly, mitamberina ao an-tsaina.
2-Fa ny ratra lalim-paka no nidona tao anaty
Nampilofika tsy hitraka, raha vao nahare hoe... “maty”
Mafy indrindra, tsy nampino, fa nangidy izy izay
Nefa kosa tsy adino fa dia lahatry ny Ray.
3-Fandalovana ihany, raha ny fiainana eto an-tany
Ka na tsiky na tomany, dia isaorana Azy hatrany
Fa fitiavana tsy miova, no nomen’ny Tompo izao
Dia anjara soa sy lova, izay mitoetra tsy mandao.
4-Hoy ny Tompo : matokia, mbola hisy andro mirana
Hoy koa Izy hoe: mifalia, fa Izaho no hisahirana;
Tsy hamela anao ho irery, na kamboty ts’hisy mpiahy
Fa ianao tsy foiko ho very, mahereza aza manahy.
5-Ny eto ihany no mifarana, fa hihaona rahatrizay
Ka hahita fahasambarana, ireo maty ao amin-dRay
Tsy hisy intsony ny alahelo, tsy hisy intsony ny taraina
Fihobiana hamelovelo, Andriamanitra ho deraina
6-Fanomezan-tsy hay tononina, no omen'Ilay Tsitoha
Dia Fanahy mampionona, mampandresy tsy hikoa
Izay mitaiza, mampahery ny finoana mba hijoro
Ka Jesosy Ilay Mahery no miaro tsy hikoro
7-Dia izay ilay vetsovetso, nokaloin’i faravavy
Na anio aza misento, dia hitraka amin’ny ho avy
Tsiahy ihany araka izany an-dRamandiamanana
Zay niverina ho tany ka matory am-piadanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/ny-hanitry-ny-lasam-pitia | NY HANITRY NY LASAM-PITIA | ANJARIVO Ronsard | Manarak’eny foana akia
Ny emboka navelan’ny afon’ny fitia
Niarahako tamin’dry
Manalok’eny foana akia
Reo bitsika niritsoka tan-tsofi-nampangia
Nihira ny ho doria
Tsy mbola hay fafana akia
Ilay soratra niarahana nanoritsori-bina
Nasesi-paniriana
Tsy mbola hay vahana akia
Ireo tady tsara fatotry ny lasam-pifaliana
Sy ny andro nihoriana
Mamerovero foana akia
Ny hanitry ny lasa dofahan-tsento lalina
F’indrindra rehefa alina
Mivadibadi-pandry akia
Tsy mahita tory, midiry tsy anki-janona
Ny mason’ny olo manina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ray-sy-reny | RAY SY RENY | Fredy Jaofera | RAY SY RENY
Misy fotoana ahatsapako,
misy fotoana ahalalako,
fa ny ora, sento ombieny
raha tsy eo tokoa ny reny.
Misy fotoana mahatorovana,
misy fotoana ahatsiarovana
fa ny andro, sento indray
raha tsy eo tokoa ny ray ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bangotokana/vonona | VONONA | BANGOTOKANA | Vonona foana aho hanaja ny tiako
Hamafa ny fery izay niaraha-manana
‘lay hany lalaiko,kasaiko sy iriko
Dia ny haneho ny hery sy halalim-pitiavana
Vononona foana hanaja anao
Na inon-kidona na inon-kihatra
Efa ho rava ny fefy manombok’izao
Ny fitiavako anao aza efa tsy ombi-tratra
Vonona foana hanaja ny toky
Izay miaina mangina ao anatin’ny foko
Na be mpanakiana sy mpamofitsofy
Dia lefero mangina aza arahi-toloko
Vonona foana aho hanaja ny voady
Teny ambony alitara sy hany mamatotra
Ny hany tokana maha-mpivady
Dia fitia tena izy,fitiavana matotra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bovalox/mandalo | Mandalo | Bovalox | Hitia ; Nahita ilay kintana nirenty sy nazava
Nanjelatra namiratra , tsara sady kanto
Satry hiteny mafy sy hitroatra, hivazavaza
Hambabo sy hanjono arahin-kira voalanto
Nitady izay fehezanteny hambaboana ity fo
Izay efa hita ihany fa nangalatra fijery
Ka io fa voasaringotra tsy hisy fanindroa
Vita teo fa tratra ilay nanao fangalam-piery!
Mitia ; Dia lasa niombona iray ny fo anankiroa
Ka ny voady sy ny dina dia fahafatesana ihany
Satria averimberina fa hoe lamban'akoho
Ka faty no isarahana sy handaozana ny tany
Niaraka ka niaraka tsy fantatra hatraiza
Tsy niraharaha izay fijerin'ny mpandalo
Na i Dada na i Neny izay nikolo sy nitaiza
Tsy nahoany, nohamavony , lazainy fahavalo!
Nitia ; Tonga tampoka ny orana, fefika ny sambo
Potika sy montsana ilay nolazaina f'ho doria
Nilatsaham-potaka , ka loza sy atambo
Rava vita hatreo, tsisy antenaina ilay fitia
Ny anjara sa ny vintana sa kisendrasendra
Ny mety hoe nahatonga anay hiara-dia ?
Sa izay ilay hoe taintran-drendrarendra
Nikoropaka nanenjika ka latsaka amparihy!
Hitia ; Dia hisy kintana indray ve handalo sy hanazava?
Hanjelatra hamiratra ho tsara sady kanto??
Asa lahy! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-fantatro-avy-akory | TSY FANTATRO AVY AKORY | Fredy Jaofera | TSY FANTATRO AVY AKORY…
Tsy fantatro avy akory,
na izay anaranao,
fa nanaitra ahy natory
ny hira izay natao.
Tsy fantatro avy akory,
na izay adiresinao,
fa nisy onja toa tsy ory
no tsapa tsotr’izao.
Tsy fantatro avy akory,
na izay sitrakao,
fa nanjary nampamory
ny nofy sy lalao.
Tsy fantatro avy akory,
na izay hoe ianao
fa hafaliana no mitory
ary iny re nandao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/zava-masina | ZAVA-MASINA | KIRIAH | Aleo ialahy ho levona hivadika ho lavenona
aleo ialahy aleviny ao anaty redirediny
Fa rava ialahy no tiany
Aeliny manerana ny tanin'ny fisiany
Ataony tonga zeziky ny fiainana iriany ( ny tsiaro rehetraretra)
Ialahy ho amboletra
Na mety koa ataony karazan-"tari-getra"
Entiny mihoitra sy fanosiky ny ampitsony
Aleo ialahy asitriny
Aleo ialahy ahitsony
Fa any ialahy no FAVY
sy tonga ZAVA-MASINA ho an'ny FIAINANY ho avy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/breacksong/teo-tsaralalana | Teo Tsaralalana! | BREACKSONG | Vao notopazako avy any AVARATRA
Dia tsinjoko avy hatrany
Fa... hay ianao ity
Ilay volana baliaka tsy mivoaka andro
Fa miandry ny hariva lava...
Toa mahasarika ary mahavariana ihany!
Fa tsy voafetran'ny voa-janahary
Mety hivoaka ho tonga fahavalo
Ka nahatonga ahy hikalo
Ilay tsy manam-paharoa...
Hay miritsoka mangina ilay mpiandry MPANONTANY
Fa raha toa tsisy izany...
Diamirotsaka an-tsehatra
Mba hampibaribary ireo POLISY be GALONA
Mba handravona ny tany
Fa raha tonga eo ianao; ka hanontany azy
Dia valiny tsotra foana sady omeny tsiky kely
Andao lesy dada; andao ialahy raha noana...
Fa omeko nofo-kenam-pihavanana.........
... zay ialahy dia tsy tana; fa lasa...
Voabaikon'ny filana
tsy taiza akory izany fa teo TSARALALANA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/tiako-foana-ianao | "TIAKO FOANA IANAO!" | IaroMalala | TIAKO FOANA IANAO!
Malala a!,
Na haditra aza ianao
Ka hiakanjo rendrarendra
Sy hiravaka hadalàna...
Tsy hampaninona ahy mihitsy
Raha 'zay 'zany fotsiny ihany
Fa hiaretako Malala a!.
Na ho takarinao aza
Ny habibiana faratampony
Am'zao tontolo izao...
Tsy hampihena ny fitiavako
Na rahoviana, na rahoviana
Latsa-paka anatiko ao!.
Na ho solafaka aza anefa,
Tsy handatsa anao no tiako
Na handrava ny amintsika....
Fa mbola ho tia sy hanaja anao
Am'foko tsisy pentina
Ts'hamela anao hipitrapitra!.
Ka tsy ahoako kely akory
Sady tsy hiasàko saina
'Zay ditranao sy hadalàna....
Ny hiangaviako anao fotsiny?:
"'Lay sila-poko lasanao
no mba asivo fanajàna!". |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nataony-tao-anaty-masinina | Nataony tao anaty masinina | raozigasy | setrin'ny tononkalon'i Kiriah "lambany"
Nataony tao anaty masinina
Ilay lamba fahiny nofihinina
Nasiany lessive ho manitra
Hamono ilay tsiaro salanitra
Ny degree nataony quarante
Hamafa ireo fahiny tsy tanty
Dia navelany hiodina ela
Handevona ireo lasa tavela
Rehefa dila ny ora ankiroa
Ka tapi-piodinana koa
Ilay fitaovana vita vazaha
Dia iny izy fa tonga nizaha
Kanjo ny fanantenany ka diso
Fa tsy afaka ilay fofona “siso”
Sisa tahirin’ny lasa
Nijanona fa tsy voasasa
Dia nody maina ny fony
Kivy ilay hoe fanindroany
Mbola hiverina handany andro
Rahampitso vao mifoha ny masoandro |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.