url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riva-ando-andriamalala/ho-azy | HO AZY | Riva | HO AZY
Ialao tsiny aminy
ry "tiako" sady "maminy"
fa hono hoe, tsy tantiko,
na dia tsy tokony aza
ny hanginako tsy hilaza
ny fitiavana ato anatiko.
Dia lazao ho fantany
fa ny tsy ny hanala anao
efa fikiriny eny antratrany
fa hipoka ny fatran'
ato anaty foko
k'ataoko fa mba zoko
ny mamboraka azy.
Tsy maint... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tranainy/akonantsahamanitra | Akon'Antsahamanitra | TRANAINY | Akon'Antsahamanitra
Toa tsinjoko misokatra ny lanitra, mitsiky indray ny ampitso
Tsy ho resinao ny marina, Andriamanitra tsy ho diso
Ny fahanginanay izay mino, tsy midika ho faharesena
Fa izahay na tsy miteny, miaina tokim-pamonjena
Araho anie ity tantara, tena nisy sy niainana sanatria tsy anganongano
Very ny as... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/matoky-anao | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/indray | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/ny-teninao | Ny teninao | maeva74 | Ny teninao
Ilay teninao iny,toy ny lefona nitsatoka
nanindrona ny aty foko
Ilay teninao iny, toy ny afo nahamay
nandoro ny tão anatiko
Namela holatra mahery sarotra nositranina
Kanefa dia namela aho satria “ Tia”
Ilay teninao iny, toy ny vovom-bonikazo nafafy
tsy hainao nosamborina
Ilay teninao iny, toy ny ran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nantto/ny-teny | Ny teny | Nantto | Ny taniko, ny teniko
Iray ‘reo tsy mba afeniko
Tokonana mamaritra
Tokontany mamatotra
Fototra, namototra
Kofehy nanolotra
Ny fisiana ho amy molotra
Ka zovy no hamotsotra
Andry hiankinana, vato fandiavana
Toerana hanankinana, tsy handavana
Ny taniko no misy, izaho no nampisy
Ny teniko no miaina, izaho no tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tsiaro/sakano | Sakano | Ny Tsiaro | Andriamanitra o !
Fantatrao ny eritreritro, fantatrao ny ao an-tsaiko
Na tsy mbola vitako aza, fantatrao izay kasaiko
Ity foko adaladala, te hihoatra izany fefy
Na dia efa eken’ny saiko fa zavatra tsy mety
Saingy olombelona, maloto fo, maloto rà
Mpanota malemy, ratsy saina sy fanahy
Kanefa dia minia mizotra amin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riva-ando-andriamalala/tsy-nampoiziko | TSY NAMPOIZIKO | Riva | Hay efa niomanany
ho ny oroky ny molony
no nasolony ny tanany
niniany tsy natolony
hamaly ny arahabako?!
Mba tena tsy nampoiziko! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riva-ando-andriamalala/manina | MANINA | Riva | Ny eritreritro any Ankaratra
ny masoko any Andringitra
ny tenako eto Imerina;
mihamalazo fahavaratra
'ty foko...no miharingitra
tsy mahandry anao hiverina! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riva-ando-andriamalala/hira-hafa | HIRA HAFA | Riva | HIRA HAFA
Hira hafa indray hiraina
fa ny hirahirantsika ireny
tsy ny tonony... tsy feony
f'efa tapitra hain'ny hafa
Ka hira hafa indray hiraina
hirahira ts'isy tonony
efa voarafitra mialoha
fa hira mihira izay kobonin'
ny eritreritra sy fo
eo andalam-pihirana
Dia hira hafa ndray hiraina
hirahira ts'isy feon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riva-ando-andriamalala/nofy | NOFY | Riva | NOFY
Anio,
tsy maninona ny volana
raha toa somambisamby
ka taratra manify
matsora dia matsora
tsy toy ny mahazatra
no sisa hanjavozavo
ato an'efitranokeliko;
fa mainka ko ho pihiko
ilay jiro mitsilopy
fandrehitro manokana
eto andoham-pandrianako eto
rehefa ora tahaka izao,
ka avela ho tena alina
mangina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/saha | SAHA | Fredy Jaofera | SAHA
Ny sahan’ny foko
dia saham-boninkazo
mitoetra ao anaty ;
tsara fandoko
mba tsy halazo,
na efa voabanty.
Ny sahan’ny foko
dia saha mahafinaritra
mamoha aok’izany ;
avy dia misoko
rehefa tsy aritra
‘reo mba vinany !
Ny sahan’ny foko
dia saha sarobidy
tsy mamela ho irery ;
ka tsarotsaroako
vao mba mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hafatra-adala | HAFATRA ADALA | raozigasy | Malahelo aho ry aiko, naharay ity taratasy
Ankona ilay fo, sady nangasihasy
Naharay izato hafatrao, mametraka sahady
Taintainam-paharesena, any an-tanin’ady
Sahirana fanahy, sady torovan-tsaina
Misaina ny amintsika, ka feno feritr’aina
Hivavaka aho ho anao, sy ho an’ny fireneko
Ny adidy nekenao, andraikitra neke... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tsiaro/tsy-hiandry-anao-intsony | Tsy hiandry anao intsony | Ny Tsiaro | Rehefa ela niheverana sy nandinihana ny fiainana
Rehefa ela niharetana ahiahy sy fitaintainana
Rehefa ela niandrasana an’ilay tsy ho avy akory
Dia nanapa-kevitra aho fa tsy hiandry anao intsony
Izay miafina tam-poko, efa voalazako daholo
Ny fitiavako rehetra, efa nomeko manontolo
Hatrizay aho niandry anao, tamin’... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lavitra | LAVITRA | Fredy Jaofera | LAVITRA
Lavitry ny afo
ny kitay,
ka vao nisafo
tsy nahay.
Lavitry ny vala
ny omby,
ka vao namanala
tsy nahomby !
Lavitry ny saha
ny fody,
ka vao nandà,
nanody.
Lavitry ny kalo
ny tany
ka vao nimalo,
be vinany.
Lavitry ny dihy
ny sehatra
ka vao be farihy
niantehatra… |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tsiaro/fanantenako | Fanantenako | Ny Tsiaro | Inona moa no azoko atao,
Raha nanapa-kevitra handao ahy ianao
Na dia tia aza ny foko, izaho tsy afaka hitàna
Ny hany azoko lazaina: “raha leo ianao dia mandehàna!
Mahità izay mahasambatra, izaho dia mirary soa
Ilay nofinidinao anie mba ho tia anao tokoa
Tsy harahiko alahelo fa tso-drano aza no omeko,
Hitrotro am... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riva-ando-andriamalala/vehivavy | VEHIVAVY | Riva | ...Ary ny VEHIVAVY,
na hoe mahery vaika
ny doboky ny fony
hivaky ny fitiavany...
dia mody tsy miraika
sy miezaka ho tony
(akombony ny vavany)
ka fihetsika no sisa
havelany hitanisa
sy haneho ankolaka azy!
...Mahery ny VEHIVAVY! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/taona-15 | Taona 15 | raozigasy | Niezaka aho tsy hanoratra, mba tsy handratrako fo
niezaka aho hanadino, mba tsy hankarary loha,
kanefa re tsy nety, k'aza dia tsiniana
ny fotaka tsy nandry,fa tsy hoe fanahy iniana
taona dimy ambin'ny folo,izao no nandehananao
nandaozanao ny tany, sy izao tontolo izao
nisarahantsika, nifandaozana ho doria
fa las... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johary-j/ilay-vavy-kely | Ilay Vavy kely | JOHARY J | Fa mamanala tokoa
Nefa ny andro mafàna
Lay tananà kely vao nilaozanao
Ka tsy mety ho tony
Misamboaravoara
Ilay dobo kely falehantsika
Tsy androany ianao iny no hiverina
Tsy hanantena koa aho rahampitso
Fa hiandry foana aho tsy ho kivy
Fa tsy hay hasolo raha ny toeranao
Ny hafanana zary andro ririnina
Mamirif... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaac/rova-i | ROVA I | izaac | jerevo anie ity rova anay
tena tsy misy panana
na aiza na aiza iono milay
nony ery saina sy tanana
ireo dada be sy bebe
ireo zoky hiany ko
dia reraka sy namoi fo
niatrika ireo zioga be
talo zany lapa izany
de tsi nana paharoa
tokana izy io . satry!
sombi niaina iani ko
atram ny tokotany hiany ko
no mitahir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fx-mahah/arahaba | ARAHABA | FX Mahah | ARAHABA
Arahaba tratry ny taona
no hafatra atolotro anao
vetivety, na tsy hihaona
fa dera mitondra vaovao.
Arahaba tratry ny taona
ka ny hoe fanambinana
no tiako hirotsaka foana
hiampy irony fidinana.
Arahaba tratry ny taona
ka ny hoe fahombiazana
no tiako mba tsy hivaona
sy moramora hotoazana.
Arahaba tra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/taon-jina | TAONA ZINA | Fredy Jaofera | TAONA ZINA
Taona zina
hamokaran’ny soa
sy ny tsara
no irariana
mba hanova tokoa
‘zato anjara !
Taona zina
hipoiran’ny saotra
aok’izany
ka hifaliana
fa indro hampivoatra
eny ihany.
Taona zina
hiakaran’ny mety
sy tetika
ka hihobiana
sy hanaovana fety
matetika.
Taona zina
hahombiazan’ny asa
‘zay miand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalakely-rota-ramy/fotoana-kely-indray-mipika | Fotoana kely indray mipika... | Ikalakely Rota Ramy | Nisy andro maro lasa izay
Toa tsaroako toy ny omaly
Ora iray tsy haiko hofafana
Indray nipika teo ianao no lasàna
Volana vitsy monja izay
No nandaozanao anay
Safidinao tokoa ve izany
Sa noho ny etraketraky ny tany
Tsy haiko ny tsy hisento
Ny anaranao no vetsovetsoko
Na maraina,na atoandro
Lasanao ny eritreri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sodifafana/ry-natiora | Ry natiora | sodifafana | Ry natiora
Mba hotrony ry natiora reto hava-maminao
Nifandefitra ao am-po hanambatra ny hoavy
Naniry ny ho doria hiriria ka avelao
Hahazo fahafahana lay voalahatra ho azy
Ianao ry volana iny ambony mandrenesa
Mijanona ka hatreho dieny zao
Ilay voady ho mandra-maty tsisy fetra
Zay voatonon’ilay vava tsy handa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaac/rova-ii | ROVA II | izaac | Mahagaga s mahavarina
ankehitriny tankina s gina
ilay vako pirenena
lasa tsihita izay omena
maro ihany ireo
orinasa efa teo
na vahiny na vaza
dia niala maina oa
jerevo anie ireo
taloha antsika
nanarina azi o
tam saina ts ni pika
tsinisy ni palant
fa nihanikia tarzan
ankehitriny kosa
nidiran trosa
asa iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nantto/malalani-setry | Malalan'i Setry | Nantto | Ny tiana tsy mahalavi-tany
Na dia any lavitra any
Na lavitra aza Indonesie
I Hollande tsy akaiky aki!
Na mifanalavitra aza isika
Ny fitiavana no mihika
Mandefa antso avy lavitra
Mampita hafatra hanavotra
Mifanalavitra Malala sy Setry
Fa ny fitiavana tsy miletsy
Na mikoro aza ny tontolo
Ny fitiany tsy bobongo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hazo-boboka | HAZO BOBOKA | Fredy Jaofera | HAZO BOBOKA
Hazo boboka
no nianteherana
ka nidoboka
vao naka toerana.
Hazo boboka
no mba nananana
ka nigoboka,
na ’zay fiadanana.
Hazo boboka
no nilaza fa andry
ka niroboka
vao tsy tafandry !
Hazo boboka
no nidera fitiavana
ka nitsoboka
vao tsy nampihavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sodifafana/ho-azy-ihany | Ho azy ihany | sodifafana | Ho azy ihany!
Ho azy ihany no nijaliko sesilany
Namoiziko ny tiko
lay tiako, zay tena tiko, tiko hatrany
Ho azy ihany!
Ho azy ihany no nihafiko lozan-tany
Nisotroko ny mangidy
Lay mangidy, tena mangidy, mangidy zany
Ho azy ihany
Ho azy ihany no niaretako avy tany
Reo latsa-kavana
Latsa,latsa-kavana, latsala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/frista-kely-faranny-taona | Frista kely faran'ny taona | Sitlo | dia nivalona ilay taona,
roa arivo
valo amby
dia nivalona ilay penina,
tsy hita intsony
tsy tafandry
saika ataoko lavalava,
fa hakamoako
koa manoatra
na ekena aza hoe
efa vita
didipoitra
izay fa mazotoa daholo
mitafa
sy midinika
amin'ny eritaona indray
raha
hifankahita isika
wiki wiki wa
wiki wa
spl... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/noely-hono | Noely hono, | raozigasy | Noely hono fifaliana, nefa izaho lavitr’olon-tiana
Noely hono ka fitiavana, nefa izaho aty lavi-kavana
Noely hono hoe ka fety, nefa ny fiainako tsy mety
Noely hono ka noely, ny ahy tsy miova velively
Dia ahoana ary ity noeliko, aiza hono izay tanteliko ?
Ny olona etsy sy eroa, miaina noely avokoa
izao tontolo iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nantto/ny-ankohonako | Ny Ankohonako | Nantto | Ny Hery Lanto no voalohany
Tsy hoe miady ho lohany
Fa izy no lahimatoa
Mpiaro anay ihany koa
I Andry no faharoa
Izay mamela soa
Tantely Maminiaina
Tena andrandraina
I Zo no vavy tokana
‘Zay tsy mba mihotsokotsona
Mahasoa sy mila soa
Ho tena reny tokoa
Ny Mahatoky no manaraka
‘Zay kitro hifaharana
Mahery i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/taratriniaina/noely-tsy-honohono | Noely tsy honohono | taratriniaina | Ny Noely anie ka fifaliana, hanadinoina ny hakiviana!
Ny Noely anie ka fitiavana, izay zaraina amin'ny namana!
Ny Noely anie ka tena fety, hanatsaraina ireo tsy mety!
Ny Noely anie ka noely fa tsy rediredy velively!
Ny noelinao anie, ka ao anatin'ny fonao
Ny tantelinao anie, ka tsy an-koditra na amolotra
Miaraha ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/makouto/fetinao-androany | Fetinao Androany | makouto | Hery, fetinao androany zao
ka ho Entiko miarahaba anao
fo Ravo feno firariana
mirarY fiainam-pifaliana
Hery, saotra feno tsy hay lazaina
Atolotra ho anao izao
Nampifandray tsy an-kalaina
Tsy nahalala izay maraina
fA nanao 'zay azo atao
nAnampy reo niantso anao
Isan'andro tsisy andraso
Na dia be aza ny ankaso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nila-fotoana | NILA FOTOANA | Fredy Jaofera | NILA FOTOANA
Nila fotoana
vao afa-nahazo
‘zay mba nafafy
raha teny foana
hita ho nivazo
sy dia nihafy.
Nila fotoana
vao afa-nigoka
ny tiana ho soa
raha efa noana
vao nisy loka
nipoitra tokoa.
Nila fotoana
vao afa-naneho
‘zay nisasarana
raha voamboana
anio, ry zareo,
ny amaharana.
Nila fotoana
vao af... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johary-j/zaza-tsisy-tsiny | Zaza tsisy tsiny | JOHARY J | Mandiniha sy mitandrema
isika Ray aman-dreny
fa ny Zaza tsisy tsiny
Omeo ny Zon'izy ireo
fa tsy kapoka tsy akory
fa mila tambitamby
Koa tantano raha miampita
tohano raha mianjera
toroy raha tsy mahay
Fa ny Zaza tsisy tsiny
hatrizay sy ankehitriny
ny lehibe raha mba misaina
dia mihaino 'reo taraina
fa tsy k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/taratriniaina/raiki-pitia | Raiki-pitia | taratriniaina | "Izaho sy Ianao raikipitia"
"Taratra malalako
Laingo fitiavako"
Ireo no ambetinteny hifanononatsika
rehefa isika tafahaona
Ka na orana mijohy,na andro mibalika
Ireo lay teny manova ny ririnina ho zary lohataona!
Enao lavitra ahy
Izaho tsy akaiky anao
Ny fotsika, mitambatra ho iray
tsy hokivin'ny elanelantany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/arahaba | ARAHABA | Fredy Jaofera | ARAHABA
Arahaba tratry ny taona
no hafatra atolotro anao
vetivety, na tsy hihaona
fa dera mitondra vaovao.
Arahaba tratry ny taona
ka ny hoe fanambinana
no tiako hirotsaka foana
hiampy irony fidinana.
Arahaba tratry ny taona
ka ny hoe fahombiazana
no tiako mba tsy hivaona
sy moramora hotoazana.
Arahaba tra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/izaho-irery | izaho irery | manantena | Taona maro izay
No niainako tety
Kanefa hatramin’izay
Tsy nahalalako ny fitia
Fa fiainana hafa kely
No niainako satria
Irery foana teny
Tsy mba nisy mpankafy
Nisy ihany anefa
Ireo nanaitra ity foko
Saingy diso fiantefa
Ka zary niova ho toloko
Izaho koa tsy sahy
Ny hanatona satria
Be ahiahy
Sady menatra a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anonymous/oram-pahavaratra | Oram-pahavaratra | Anonymous | Ry orana mitraho, oram-pahavaratra
Aho izao mitalaho, te hahafantatra
Valio, fa vaka sy miahotrahotra
Ory fa tia, fitiavana sarotra
Voady sy dina
Sa fitiavana mangina
Nofy mahatamàna
Tandidom-pahotana?
Fitempon'ny fo
Sa anatry ny saina?
Ilay tsy folaka fa milefitra
Ty manan-tsiny, tsy tohaina?
Very ny hevit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/takelaby/sekoly | Sekoly | Takelaby | Gaga i Dada, mahita ahy mazoto mianatra
satriko foana hanontanay ilay mpampianatra
taloha nefa aho zara fa mitsidika sekoly
izao lasa toa relijiozy mpamaky baiboly
Gaga i Neny, mahita ahy mahavita devoara
lasa nisy fivoarana fa mahazo naoty tsara
zary kilalaoko ireo kajy sy ny raikipohy
ny lera efa tapitra aza t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/diso | DISO | Fredy Jaofera | DISO
Diso ny foko
tsy nanan-tsiny
nanankina tany
ny zava-drehetra,
ka namonoako
ny anaranao iny
ho very aok’izany
fa nampanjoretra.
Diso ny saiko
tsy mba nanahy
nametraka tany
ny fatokisana,
ka zary lanjaiko
fa tena nahasahy,
‘zao mba tomany
tsy nanofisana !…
Diso ny feoko
tratran’ny fitaka
nanangana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalakely-rota-ramy/ilay-diam-peninao | Ilay diam-peninao... | Ikalakely Rota Ramy | Vahotra ny foko,tretrika tokoa
Niserana kely teo
Ilay tsiaro anao
Raha iny aho namaky ireo diam-peninao
Toa nifoha teo indray
Ilay ratra tato am-poko
Nanamaloka indray
Ilay masoandro keliko
Aiza moa izany an-koatra izany
Nandaozanao ny fiainana an-tany
Sento sisa sy tomany
Very anao aho ry ilay mamy
Embona,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nantto/fanorenana | Fanorenana | Nantto | Mitsangana mandehana
Mitsangana manambara
Mitsangana mianara
Mitsangana mananara
Manorena ainga vao
Hanavao ny tontolonao
Ialao ny fahalainana
Mianà ny tena fiainana
Mifandraisa amy fototra
Mandraisa endrika fototra
Ialao ny toetra tsy rototra
‘Zay manimba mahafosotra
Ny olombelona ilaina
Olombelona manan’... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/honjohonjoko | HONJOHONJOKO | Fredy Jaofera | HONJOHONJOKO
Honjohonjoko irery
no namakivaky
iny lalany iny
mandrapahatonga,
na tsy ampiampy hery
sy toa nitakitaky
‘rony habibiany
nataoko ho somonga. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nantto/dindona-10-12-09-0905-am | Dindona | Nantto | Misy nofy toa mandindona
Manamboly milaza inona
Mampatsiahy ny zavatra fahiny
Mamerina ny fiaina fahiny
Te hiantsapy ianao nefa ho aiza
Te hiantoraka nefa ankaiza
Mitanisa ny lasa voaseho toa jinery
Tsy afa-mankaiza zato tena irery
Gaga gamba ianao raha lazaiko
Fa miaina
Mitamberina ny lasa feno aina
Te hian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nantto/ny-ho-avy | Ny ho avy | Nantto | Mandranta faneva hiantorahana
Manamboara fanilo hamirantana
Mibanjina johary hisandratana
Manamboara ho avy hamantanana
Miambena izay noharina
Mazotoa toy ny riana
Mandrosoa amy rehetra
Mivonona hisedra ny rehetra
Manangona hery maharitra
Miaingoa hary maharitra
Misehoa mikendry amin-kery
Mijoroa mirija f’az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianiaina-fidelis/mainty | mainty | ANDRIANIAINA Fidelis | mainty
satria ve mainty ianao!
dia voarara isika
mba tsy hifankatia
ambara tsotra izao
fa mafy loha maditra
raha toa ka miara-dia
nefa anie rahavako
ny eo anilanao
no nosafidin'ny foko
ary 'lay fitiavako
niantefa taminao
tsy nifidy loko
hafahafa ihany
fa sahany raràna
ilay fitiavantsika
ny zavatra mba h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaac/2010 | 2010 | izaac | tonga iti ilay fotona
itsika tafahona
hiara ankalaza
fety iray tsimbazaza
feti iray tsimba roa
isika rehetra afapo
ao dada ao i neny
samy itondra teny
ao zandry ao zoky
izy ireo manome toky
dadato s nenito
mapirevi aviko
vori ary ity ni fianakavina
izao no tena fanirina
lanonana afa mihintsy
asakasaka iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johary-j/teny-malagasy | Teny MALAGASY | JOHARY J | Mahaiza ianao miteny
fiteny Malagasy
fa aza mba ovaina
sy tsy mangala-tahaka
na ampiadiana RIMA
ny amin'ny tenin-dreo vahiny
fa aoka ho tena Gasy
teny Gasy rano iray
no ho eny imolotrao
Fa soa sy tena kanto
ny miaina hoe Malagasy
tsy mampitsanga-menatra
toy ny miteny ratsy
fa mampijoro ivohin'ny olona
Rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaac/ambadika | ambadika | izaac | aza manadino ahy
ry mpihaino vavaka
aza mba manary ahy
miankina aminao ny fiainanay
aiza irei taloha
toa lasa avoko
izay mandeha
tsinisy niverina
mba manahona izy any
tsy fantatra izay ataony
fa de lasa tsisy veloma
nadeha lasa fona
izao ity r zoky
hany tokana kamboty
tsy mahalala izay atao
varina miants... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsiky | TSIKY | Fredy Jaofera | TSIKY
Tsiky izay natosaka
no nanova ny adin-tsaiko
sy avy nampiposaka
‘reo mamy re, ry aiko !
Tsiky izay natolotra
no nitondra ny hafaliana
niampy ny molotra
nihetsiketsika mangina.
Tsiky izay natranga
no nampisy ny fitiavako
sy mba nahamanga
iny lanitra, Rahavako !
Tsiky izay nafafy
no nampihirahira etoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/manimanina | Manimanina | manantena | Manimanina aho izany
Ka lasalasa ny vinany
No velon-tsento sy tomany
Manembona irony lasa
Niarahana nandrasa
Sy izay mbola ho kinasa
Fa lasa tsy hay hadinoina
No tsy azo hodiana tsy tsaroana
Fa tsara ho kolokoloina
Ho raiketina anaty tantara
Ho hitan’ny dimby sy fara
Fa fitia tsy mifamarafara
Ny tantara dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpandalo/tsy-tantinao | Tsy tantinao | mpandalo | Na lazainao ho maditra,
Na lazainao hoe be loha
Na lazaina ho bebe fika
Na lazainao ho jiolahim-boto;
Izay ilazanao ahy tsy ahoako
Fa ny fantatro hatreto
Ny tato am-poko no nivoaka
Dia ireo noheveriko fa mety;
Na lazainao ho mivaona
Na heverina ho mania
Na raisinao ho zava-poana
Na atositosika ho mahia;
Tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpandalo/mbola-ilaina-ve | Mbola ilaina ve? | mpandalo | Mbola ilaina ve ny ranomainty
Hametrahana tantara?
Sao dia efa manakaiky
Ny hiavian'ny anjara.
Mbola ilaina ve ny ventsoventso
Hanangonana tomany?
Sao dia efa atsy ho atsy
No handaozana ny tany.
Mbola ilaina ve ny disadisa
Hamoronana ahiahy?
Sao mba efa kely sisa
Dia ho rava ny tsiahy.
Mbola ilaina ve ny ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nataoko-daholo | NATAOKO DAHOLO | Fredy Jaofera | NATAOKO DAHOLO
Nataoko daholo
‘zay mety nahasambatra
fa nihabobongolo
vao tsy afa-nitambatra.
Nataoko daholo
‘zay mety nampisondrotra
fa mainka nanolo
‘reny tsara vao romotra !
Nataoko daholo
‘zay mety nampiarina
fa lasa mololo
vao hita ho tsy marina.
Nataoko daholo
‘zay mety nampihoraka
fa kivy im-polo
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ndriana-ramamonjy/tsy-fahamarinana | tsy fahamarinana | Ndriana RAMAMONJY | Manenika ny tany ny tsy fahamarinana,
dia lasa ny fisainako hoe
nahoana ny olomarina
no zary mialokaloka anaty fahanginana?
aza gaga isika raha ela vao ho tafarina
nangiana teo ny marina
Dia toa lasa marina ireo zay tsy marina dia mitombo hisa hatrany
ka raha manao ny marina ireo zay mba te hiharina
dia loza no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/tsiaro-anao | Tsiaro anao | manantena | Tsiaro anao
Tsy fantatro intsony izay tokony ho atao
Fanina mihitsy aho fa manina anao
Ny foko marary, izaho te hitomany
Tsy haiko ianao any raha mahatsapa izany
Izaho aty mangina irery
Tokana monja, tsy misy mpijery
Tsy misy akory izay mba hiresahana
Hanala alahelo ary koa mba hafarana
Veloma hono hoe f’izaho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mbetika | MBETIKA | Fredy Jaofera | MBETIKA
Mbetika aho mahatsiaro,
mbetika aho mamely
fa misy mifangaro
ny ngidy sy tantely.
Mbetika aho mitady,
mbetika aho mamoy
fa misy ireny voady
any foana sy mitohy.
Mbetika aho te ho any,
mbetika aho variana
fa manina eny ihany
rehefa mba tsy tiana.
Mbetika aho manahy,
mbetika aho matoky
fa nambabo n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ndriana-ramamonjy/adala | ADALA | Ndriana RAMAMONJY | adala hono raha izaho no mandany ny hatanorako am'izany hatao hoe fivavahana
voninkazo vao mitsiry tokony ho haingo ny tanana dia manda fahalalahana
adala hono raha izaho manaiky fandementsaiana
manaiky tsindry hazo lena satry io fivavahana io dia fomba nampiasaina
angejana firenena
ekeko ihany ny adalako
eny ada... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/fo-miray | FO MIRAY | NY Andri-Fara | FO MIRAY.
( Atolotro an' i TANTELY ANDRIANARIVO RABERANTO Fidson Dina, vady malalako sy ANDRIANARIVO Tantely Ialy Nofy Meva Miangoty, zanako tsy foiko.)
ALINA TSY NIOVA NO NITSIRY TATO AM-POKO
NANGETAHETA TAHIRIM-PAHATSIAROVANA ROA TAONA LASA IZAY.
NIFANKAHITA ISIKA KA NIRAY NY LALANTSIKA
DIA NIZOTRA HO AMIN'NY TS... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanou-razafindrabary/ianao | IANAO | Nanou RAZAFINDRABARY | Ianao ilay fitiavako
Tiako sy tsy hatakalo no tsy to
Zanako malalako
Andaniako ny heriko androko
Omeko ny fitiavako
Ianao ilay mamiko tanteliko! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radorch/mba-nitia | MBA NITIA | RadoRCH | Mba nitia aho fa tsy notiavina
te ho andry fa tsy notazonina
ka tafita ary ve vao tadiavina
dia irina sy hantokantonina?
Mba nitia aho kanefa niatahana
na nanolo-pitia niezinezina
noho ny manana ve vao iarahana
ka tomorina sy akaikezina?
Mba nitia aho ka tena efa babo
saingy indrisy fa kely ny heriko
tamin'ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/omeko-anao-ny-lanitra | Omeko anao ny "lanitra" | Tsiky dia ampy | Tonga indray ity
ilay tsingerin-taona
Ilay asaramanitra.
Androany kosa akia,
Tsy toy ny isan-taona
F'omeko anao ny lanitra.
Masoandro sy ny rahona,
Ny kintana sy volana
Mameno irony lanitra,
Atolotro ho anao.
Omeko tsisy olana
F'omeko anao ny lanitra
Ny senton'ny fitia
Voady mariazy
Natrehan'Andriamanitra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vazivazy/ny-hitiavako-azy | Ikala jejo | vazivazy | Jejo ery ilay madama
toa mangirana malama
manao izay mampiomehy
feno menaka tarehy
dia akifika ny volo
fa hoe tsara kolokolo
ovaina kely ny filatrony
ny kiraro no akatrony
Jejo ery hono i kala
ho an'ireo tsy mahalala
ka manao izay tena mety
mampidera salopety
mampiseho hoe mitsitsy
na mafana na mangitsy
m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/atonamia/ho-anao | Ho Anao | Atonamia | Mangatsiaka 'zato alina
Mamirifiry mahafanina
Mahatsiaro anao mangina
Malahelo anao ry tiana
Maharary ilay fery
Nefa dia tsy maintsy hiafina
Mila anao hitondra hery
Tsisy anao aho ka gina
Any ho any 'zay ianao
Sambatra tsisy ahiahy
Raha mba fantatrao f'izaho
Marofy tsy mba misy miahy
Noho izany rehetra izan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mazava | MAZAVA | Fredy Jaofera | MAZAVA
Mazava amin’izay
‘zao hoe haratsiany
mbola hita ho nivay
sy feno habibiany.
Mazava amin’izay
‘ty sarotsaronany,
nandrehitra indray
ny tena fialonany.
Mazava amin’izay
ny tsy nety nataony
sy nitondrany fanday
tamin'ireny lalaony.
Koa aoka aho handeha
hiala amin’ireny
fa nahatezitra ahy re
sy toa l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaac/tatitra | TATITRA | izaac | lazaina fa mihemotra
hono ity fireneko
ka izao no teniko
ari tsimba ekeko
lazaina fa mahantra
hono ny pona
aho anefa no mandray vonona
lazaina fa tsy mihinana izahay
ny fiainananai ve!
no tena mamay vay
mahita ireo technologia
mitombo isanadro ny magy
maro anefa ireo miliaridera
atram 4x4 ni panera
asa an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ny-sisasisam-bola | TSY NY SISASISAM-BOLA | Fredy Jaofera | TSY NY SISASISAM-BOLA…
Tsy ny sisasisam-bola
no ataoko rakitra,
ry Tompo be fitia,
fa ny mety sy ny mbola
mahay mandrafitra
ny marina ho doria.
Tsy ny sisasisam-bola
no ataoko saotra
ho voninahitrao
fa izay voavolavola,
na ho tafahoatra
no mba latsaka ao !
Tsy ny sisasisam-bola
no ataoko sitraka
sy vokat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/takelaby/izaho-sy-malala | Izaho sy Malala | Takelaby | Tsy fantatro izay atao,
rehefa mibanjina ahy ianao
Tsy hitako izay atao,
hijanona sa hitady fiainambaovao
Tsy vitako intsony anky
ny manalavitra andry
ny alahelonao mavesatra
monina any alavitra any
ny hakiviana mitambesatra
hofohanantsika izany
Tsenao aho fa ho avy
matokia ilay ao ambony
Tsenao aho fa ho a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/takelaby/voky-voanjobory | Voky voanjobory | Takelaby | te hisinda kely aho, hiala vetivety
te hifaly kely aho, ho rendriky ny fety
fa manenjika fotoana sy toa maika lava
ka ny hanina aza tsy tafiditra ny vava
androany atoandro aho lasa tendakanina be
vao mahita ireo sakafo mampilendalenda be
tiako aripaka daholo, na ranony na vetiny
hitahirizako avy hatrany ny otrik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/maniry-anao | MANIRY ANAO | Sunny | Maniry ny tiana
ny tanan'ny tia
ka aza valiana
rah'te hiara-dia.
maniry anao
ny fo efa miandry
ka fantaronap
satria tsy tafandry.
maniry ny tiana
ny fo efa tia
ka aza valiana
rah'te hiara-dia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsy-rariny | TSY RARINY | NY Andri-Fara | TSY RARINY
47 TAONA IZAO RAHA NY FITADIDIKO
NO NAZAHOANTSIKA FAHALEOVANTENA ?
AIZA ANEFA IZAY MBA FAHAFAHANA.
FA TOA FAHORIANA LAVA IZAO,
NO IAINAN'NY VAHOAKA!
POLITIKA POLIFIKA NO ASANDRATRA
NY VAHOAKA NO MANJARY SORONA,
HO AN'IREO MPIADY SEZAM-PITOLOMANA.
TSY MAHAGAGA RAHA NY OMALY,
NO MANJARY ANDROANY.
RY... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/nisy | Nisy | njaf | Nisy jiro iray
efa saika nitsilopy
Nisy maso iray
efa ninia tsy hitompy
Nisy fo iray
efa nanary toky
fa hoe voasoloky
dia tampoka avy teo
toa zary nisy solika
namelona ilay jiro
sy zavatra nisarika
hanintona ito maso
ilo mikoriana
namelona ito fo
dia indro fa nifoha
tsy maty indray lay afo
lay maso koa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/foronina | FORONINA | Fredy Jaofera | FORONINA
Foronina avokoa
ny ratsy rehetra
rehefa tsy tiana ;
asesika an-doha,
atao amboletra,
fa tena fahoriana.
Foronina hamery
ny lalan-kombana
rehefa mba tsara ;
lazaina ho be tery
sy tsisy hazavana
raha mitantara .
Foronina ho diso
ny safidim-poko
rehefa ialonana ;
lazaina ho masiso
vao indro misok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vakiny | VAKINY | Fredy Jaofera | VAKINY
Vakiny marina
‘ty vatam-paty
misy ny reniko ;
ka vao niarina
dia indro nitaty
ny loza sy teniko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaac/rediredy | REDIREDY | izaac | indro ah fa irery
ka ni aiko lasa tery
mahita ireo zavatra
manodidinahy
ka lasa saina
hoe ande hanidina
mahita ireo trano
maro mifangaroaro
ao ni bongo
ao ni villa
de lasa ny saiko
iza amireo ny ah
asa izay nofy
ka lasa pitary posy
asa izay itranga
ko lasa banga
POOTY |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaac/nofy | NOFY | izaac | nanofy aho dray andro zay
hoe! lasa bandy tena milay
mandalo eny am niarabe
mitodikia daholo ny mpande
mandalo eny @ epicerie
jereko ny vidiny tonga d mercie
izao tsy mantany prix
fa tonga dia havokako lery
voa mandalo izany ah!
eny @ arabe
miaraka @solomasa
rebala gozabe
gaga ireo sipa kely
voa piako maso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/lasa-fisainana | Lasa fisainana | raozigasy | Dia misononoka mora, tsy maka lavitra ilay taona
Satria herinandro vitsy sisa, dia handeha izy himaona
Hamela anao sy ny fahiny, hivalona ho tantara indray
Fa taona hafa sy vaovao, ka ny lasa hiampy iray
Dia mikisaka famindra ilay tondrom-pamantaran’andro
Dia mijotso ihany koa ny mari-panan’ny masoandro
Ka rehef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/hitia-mangina-aho-zany | HITIA MANGINA AHO ZANY | TOAVINA | eny mantsy ry tina
efa maro reo niafiana
maro nefa tsy nanaitra anao
maro saingy tsy nararainao
dia hitia mangiana aho zany
tsy hataoko hisy hahalala
fa ao am_po mangina iany
no intsoko anao ry malala
hitia mangina aho manombok'eto
hitia mangina,tsy hisento
ho fitia tsy ankiteniteny
nefa mitombo ombien ombie... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/ilay-nijanga | ILAY NIJANGA | ANJARA7 | Ianao hono hoe nijanga?
Mba tsy fidiny angamba o!
K' aleo aho tsy hitsara anao
Fa tiko tiko foana ianao
K'ireo miseho ho tsy nanota
Mpanenjika,mpifosafosa
Raha mba vehivavy ihany
Hifankahita indray andro any
Ny tantaranao taloha
Ts'isy hamakiako loha
Fa ny tsapako aloha
D'IANAO EFA NIOVA FO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ianao-no-tiako | IANAO NO TIAKO | NY Andri-Fara | IANAO NO TIAKO.
TANTELY A!FANTATRAO NY ATO AM-POKO
FENO LOATRA KA TSY TOHAKO.
ANDROANY MANTSY RAHA TADIDIANAO;
FENO ROA TAONA IZAO NY MARIAGENTSIKA.
DIA FALY AHO MANOROKA ANAO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/mila-anao-ho-nanamana | mila anao ho nanamana | Sunny | midongy ho anilanao
ny fony tena tia
ka mba sitrakao
de tongava ianao ety!
fa ny any fantatrao
mila namana hizara
zay rehetra maminao
na ny ratsy na ny tsara.
mantsy ianao mitiava
ny fo maniry anao
amin'ny andro mbola lava.
mantsy ianao tongava
anilany eto izao
fa ny fitiavany e! tsy rava!!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-anialahy-irery | TSY AN'IALAHY IRERY !... | Fredy Jaofera | TSY AN’IALAHY IRERY !….
Tsy an’ialahy irery
i Madagasikara,
na hanampatra hery,
hampizarazara !
Tsy an’ialahy irery
i Madagasikara,
na mitaditady hanery
ny ho hendry tsara.
Tsy an’ialahy irery
i Madagasikara,
na mafy sy tsy miery
ny toky ka niafara…
Tsy an’ialahy irery
i Madagasikara,
na maro be mpijery
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hazakazaka-ambany-farafara | HAZAKAZAKA AMBANY FARAFARA | Fredy Jaofera | HAZAKAZAKA AMBANY FARAFARA
Hazakazaka ambany farafara
ka samy manezaka amin’izay ho afany,
ny olon-drehetra voazarazara
amin’izao ady mila ho tsisy farany !
Hazakazaka ambany farafara
ka samy mifofotra amin’izay ho vitany
ny maro mikatsaka anjara
hanova eto kosa ny tena mba vintany !
Hazakazaka ambany faraf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/takelaby/sarokenatra | Sarokenatra | Takelaby | Hoy ilay mamo iray izay
raha niteny taminay
tsara daholo izay jerena
rehefa varina ny tena
ka no toana no fidiako
mba hasoloko ilay tiako
dia ilay toaka tsy manary
na dia mety hankarary
hanalako indray ny tahotra
te hilaza nefa miahotra
miandry fotsiny hojereny
fa tena tsy afaka miteny
raha vao misy ny foto... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/moi/dina | Dina | Moi | Ry zatovo mitandrema
Tadidio ilay fanenkena
Teo ambony alitara
Niarahana nizara
Ny ho mandrakizay doria
Iara-hikolo ilay fitia
Aza sodoka mankafy ireny aloka mpandalo
Ka mitsiriritra ery irony vorona mikalo
Ny ahy ireo toky izay nomeko
Hajaiko hatrany sy ekeko
Nefa moa raha sanatria
Hitsahinao ilay fitia
An... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-asam-panompoana | NY ASAM-PANOMPOANA | Fredy Jaofera | NY ASAM-PANOMPOANA
Ny asam-panompoana
tsy ilana rehareha
na mainka ihamboana
vao iny fa mba hoe...
Ny asam-panompoana
fanao am-pifaliana
mbola hampandrosoana
ny amin’izay takina.
Ny asam-panompoana
tsy ilana avona avy
fa andraikitra imasoana,
na tsy mba miangavy.
Ny asam-panompoana
fanao mangingina
mbola... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vazivazy/tsena | Teo antsena | vazivazy | Omaly atoandro aho raha teny antsena
dia indreo misahotaka ny mpivarokena
diso fanantena no sady sorena
tsy nahatafaveina masokarena
nakaiza daholo ary ireo mpividy ?
mbola variana misotro mangidy ?
tambavy manala ny havizanana
ho solonkitoza sy vary amin'anana
Rasoa bota kosa nefa etsy ampita
ifandrotenana mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/moi/fitiavana-mangiana | Fitiavana mangiana | Moi | Ilay Fitiavako mangina
Maniry ho anilanao ry tiana
Hokoboniko ato anaty
Inoako fa tsy ho mandra-maty
Hanjary ho nofiko ny hatory
Nahatonga sorisory
Mibahana mameno ny alina
Mampifoha misasakalina
Rehefa ho tonga ny maraina
Injao ilay foko mitaraina
Mitamberina ny ankaso
Indreo fa kotsa indray ny maso
Niezak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/mbola-te-ho-velona-aho | Mbola te ho velona aho. | Volatiana Rahaga | (...)mbola te ho velona aho
Ahita izany: tantely mamy rendrika tanatin'ny hamamiany,
fanahy nanirery ela sendra silaka niriany,
lokon-danitra marevaka, mirenty volom-parasy,
mpifindra monina tamana manda ny hiova lasy!
mpitsara iray tsaraina voafatotry ny teniny,
mpifahavalo mahavita izany mifandray tanana,
maha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fisaorana | FISAORANA | raozigasy | Fisaorana feno sy mitafotafo
Tsy voavidy vola, nefa koa tsy lafo
No atolotra zaraina, ho antsika tsy ankanavaka
Misaotra mankatelina, tsy misy izay ahavaka
Misaotra ireo tarika, indrindra fa Ambondrona
Mbola nampiray ary nampivondrona
Ireo Namana rehetra, tonga niara-paly,
Misaotra re misaotra, tsara ilay omaly
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/alahelovy | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsiky-kay-dia-ampy | TSIKY KAY DIA AMPY | raozigasy | Nitsiky indray ny androko
Izay ilay efa tsy andriko
Hoe hotantaraina
Ary koa zaraina
Nitsiky indray ny foko
Izay ilay hanoloako
Ireo alahelo maro
Sy ola-nifangaro
Nitsiky indray ny masoko
Adinoko ny ankasoko
Mazava izay banjiniko
Mena ny raozy fihiniko
Nitsiky indray ny molotro
Ka ireo teny natolotro
Dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/fa-maninona | FA MANINONA ? | Laingo | Fa maninona ny olona rehefa tia amin’ny fo
No tsy maintsy mijaly mitondra faisana avokoa?
Fa maninona izy ireny no mitaraina tsisy farany
Fa ory sy fadiranovana noho ny amin’ireo malalany?
Fa maninona ary isika rehefa tofoka sy leo
Raha mba mitsotra hoe tsy tia dia misaraka hatreo
Fa tsy lasa mampirafy mifindra e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/eto-an-tany | ETO AN -TANY | ANJARA7 | ETO AN -TANY
Rahoviana re ry tany
Ty hetraketrakao no ho lany
Maro loatra reo mitoloko
Noho'ny sentonao misoko
Ady,loza,fifandirana
An kavitsiana no mba mirana
Zany rehetra rehetra zany
No hitantsika eto an tany
K'inona no mety atao?
Fifankatiavana no hajao
Fandeferana ilaina
Raha te hilamina ny saina
Tena... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/ambarao | AMBARAO | ANJARA7 | AMBARAO
Ambarao r'ilay maraina
Fa mbola misy adidy miandry
Matoa mbola velon aina
Ambarao r'ilay masoandro
F'ilay taratra omenao
Dia isan"ny fanantenana
Ambarao re ry alina
Fa ny fialan tsasatra entinao
Dia hanome hery lalina
Ambarao amin-tsiky
Hoe tsisy hakiviana anatinao
Na mafy aza ny entinao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/fo-tomany | FO TOMANY | Laingo | Nantenaiko mba ianao no ho mpanjakan’ny fitiavako
Nantenaiko hoe ianao no hampitsiky ny maranaiko
Nanantena aho niandrandra, niandrandra ny ho tiana
Miandry anao hatramin’izao tao anaty fo mangina
Nantenaiko fa ianao no hitantana ny tanako
Hanafoana ny alahelo izay manaloka ny tavako
Nefa ahy ianao manan-tompo, z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/soava-dia | SOAVA DIA | raozigasy | lay ranomaso nikoriana, moramora tan-takolako
De mbola endrika sy sarin'ilay fitiavana tsy folako
Ilay sento lalina nanaraka, namintinana ilay resaka
Dia mbola taratra sy alok'ilay foko izay nitresaka
Ilay endri-maloka nafenina, tanaty solomaso maizina
Dia mbola sarina fitia, resy sady vao nofaizina
Ilay hovi-peo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/rasouellah | RASOUELLAH | NY Andri-Fara | RASOUELLAH
Indray takariva izay
Diavolam-penomanana ny andro,
Dia nitsangantsangana aho....
Hanala fahanginana nilaozan'olon-tiana.
Nibanjina avy lavitra
nanatona ity toeram-pivarotana..
Mamofompofona fitiavana;
Fitiavana tsy ho lavitry ny ankaso.
Nanatona hanatona tsy sahy
Toa sanganehana eo am-pahitana;
To... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/takelaby/zoma-mahafinaritra | Zoma mahafinaritra | Takelaby | fa nankaiza ianao Ranaotra, toa tsy hita mba nandalo
fety be anefa teto, ny zoma hariva hatramin'ny valo
Vao maizimaizina ny andro, dia raikitra ny tafa
afabizana niasa, fa raha teo Ranaotra mbola hafa
amboarintsika ny fotoana, amin'ny herinandro ambony
antsoiko ianao zoma hariva,mba tsy ho adino intsony
ka izao... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.