url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/ny-foko-mbola-adala | Ny foko mbola adala | Elysé Azrael | Fantatro fa tsy tia ahy ianao:
Nefa tsy manahy!
Fantatro fa ianao tsy ho ahy:
Tsy ho ahy mihitsy ianao!
Nefa ny foko mbola adala,
Mbola manantena anao...
Mbola miandry ilay fitiavana
Hatolotrao ho ahy...
Fantatrao fa tokam-po aho:
Tsy manan-tiana ankoatra anao!
Nefa fantatro fa ilay fitiavanao?
Tsy ho anjara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/saika-tsy-zakako | Saika tsy zakako. | Arisons | Saika tsy zakako.
-Mafy tamiko taty aoriana.
-Ny fahenona ny mombanao ry tiana.
-Hoe ianao andeha anadino sy hamafa.
-Ny amiko satria oe efa nahita olon-kafa.
*Eny, saika tsy haiko intsony niaina.
*Hamefeko ny filamin-tsaina.
*Izay efa nikorontana tanteraka.
*Ny mbola nahare fa ianao efa niteraka.
-Mbola marar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/fokoanionofyeritreritrovonona-ahoandroany | Foko...Anio...Nofy...Eritreritro...Vonona aho...Androany! | AZRAEL | Foko, fitiavako, fanahiko...:
Atolotro ho anao!
Anio-ko, androaniko, ny amiko...:
Omeko ho anao!
Nofiko, nofoko,... Afoiko:
Atolotro ho anao!
Eritreritro, endriko...:
Omeko ho anao!
Vonona aho, voadiko:
Ny tena hitia anao!
Androany, anio, any aoriana any...:
Izaho ho anao hatrany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/ho-ani-f | Ho an'i F... | AZRAEL | F... a! Asa, na ho haiko
Ny hanadino anao...
Fa tsy afaka ato an-tsaiko
Ilay endrikao...
F... a! Asa, na ho haiko
Ny hangina tsy hitoloko
Fa tsy anjarako ianao,
Moa ve hionona ny foko?..
...Asa na ho haiko
Ny hiaina tsisy anao...
Fa tsy vofafa ato an-tsaiko
Ny amintsika hatramin'izao...! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/tsy-ho-ahy | Tsy ho ahy...! | Arisons | Tsy ho ahy...!
-Eny, raha andeha ianao.
-Hifindra lasy vaovao.
-Hinitsana tsy hamoa intsony.
-Anamaina ireo laingo ambony.
*Dia andao fa tsy maninona.
*Mandehana! f'izy moa mba ho inona!.
*Raha mihoatra aminao.
*Izay tsotra sy ambany, sady ratsy tsisy atao.
-Ka ho tsofan-drano ianao.
-Fa ny fity(ia) anie tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/titra-fotsiny | Titra fotsiny. | Arisons | Titra fotsiny.
-Ankehitriny, mitamberina ato an-tsaiko.
-Ireny tantara tsy fanadino maro ireny.
-Sy ilay novetsona ho silaky ny aiko.
-Niriako mba ho tononina ho Neny.
*Nefa indrisy mantsy niafarany.
*Fa toa titra nindramina fotsiny ihany.
*Atramin'ilay nantsoiko ho vady.
*Fa toa saika nampivarina ahy tany an-k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/raha-mba-tia-ahy-ianao | Raha mba tia ahy ianao | Elysé Azrael | Hitako aminao
'Reo endrika notiaviko tao anaty nofy,
Ary notadiaviko
Fa lafatra indrindra...
Hitako aminao
Ny hatsaran-tarehy
Sy bika tsara rindra...
Tazako aminao
Ny topy maso mamy
Mitselatra fitiavana...
Hiantoraka aminao
No tsy maintsy hataoko androany
Raha tsy setrainao fandavana...
Hitako aminao
Izay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/indrisy-ry-tiako | Indrisy ry tiako. | Arisons | Indrisy ry tiako.
-Tsapako fa raha vao iny niandoha ny antsika.
-Dia toa efa tsinjoko sahady fa mangatsika.
-Tsisy hafanana hoe taratra nakaty amiko taminao.
-Fa toa hirifiry lava sy adin-tsaina izaho tanilanao.
*Eny, tsy vitako intsony ny anohy sy hamisavisa.
*Ny diantsika izay vita ry tiana fa toa mampijaly mam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/tsiky-indray-nitompy | Tsiky indray nitompy. | Arisons | Tsiky indray nitompy.
-Toa jary lasa namela aina ho ahy.
-Tanatiko,ilay tsikinao iny tsy nitoetra fa nandalo.
-Izay nandrotindrotika; tanaty foko sy fanahy.
-Ka indrisy ! dindonao sisa tavela ho ventsoko, anaty tononkalo.
*Mamy na dia niserana fotsiny ihany aza.
*Ilay tsikinao iny izay nitaratra ny foko.
*Tsy ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/aiza-ianao | Aiza ianao? | Elysé Azrael | Ento any aho,
Ento ho any aminao...
Ento mba hahita ny akany misy anao,
Ento, ampahitao tontolo vaovao,
Ento mba hitety izao tontolo izao,
Ento ho any aho, mba hiara-milalao
Eto ihany aho,
Eto aho hiandry anao...
Na ho zato taona, na ho arivo taona,
Eto ihany aho, hiandry anao eto foana! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/mitsiriritra | Mitsiriritra. | Arisons | Mitsiriritra.
-Manaiky aho fa sarotra ny hitia anao iny.
-Ekeko hoe nofinofy fotsiny ny ahy.
-Sa ve izany ilay mitia tsinahy?.
-Ka ny ho avy mivadika ho fahiny!.
*Manaiky aho fa mitsiriritra no azo atao.
*Raha anantena ny amiko ho tianao.
*Satria ianao lafo vidy tsy takatra.
*Fa zanak'olona manana sy tonga lafa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/sarotra | Sarotra...! | Arisons | Sarotra...!
*Sarotra ny miaina,
*Amin'izao satria maro ireo mitaraina.
*Vokatry ny fandrio fa lavo.
*Mahazo ireo mavomavo.
-Sarotra ny mifaly.
-Satria mbola be ireo mijaly.
-Ateraky ny fijaliana.
-Noho ilay tsy fisiana.
*Tena sarotra hoy ahy.
*Fa toa nanjary niboridana ilay fanahy.
*Izay maha olona ny olona.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/fitia-onjam-baratra | Fitia onjam-baratra | Elysé Azrael | Raha vao nihiratra
Ilay masom-pitiavako variana sy sondriana,
Dia ny endrikao mamiratra
No nitsena azy tamim-pifaliana
Hany ka raha vao nahita anao aho dia ankona:
Tsy naharay lamba,
Avy hatrany dia nanatona:
Tsy nihambahamba!
Ka diso ve aho raha hitia anao:
Tia anao aho, tena tia?
Dia ho hadisoako ve ny hita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/fitiavana | Fitiavana... | AZRAEL | Angamba tsisy fahoriana
Toy ny mitia mangina
Ka mila tsy ho tanty
Fa mandoro ny ao anaty
Angamba tsisy tsara fiafara
Toy ny fitia voarara,
Fa rehefa ela ny ela
Dia mahazo fandresena
Angamba tsisy mamy
Amin'ny fiainana eto an-tany
Raha toa ka sanatria
Ka tsy nisy ny fitia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/ho-ahy-mandrakizay | Ho ahy mandrakizay | AZRAEL | Ho hazavana,
Hitsilo ny dia
No ilàko anao...
Ary hitondra hafanana
Sy hanolotra fitia ho ahy
No ilàko anao...
Izaho tia anao,
Ianao tia ahy,
Isika roa ho iray
Mandrakizay...
Ny fitiavantsika
Tsy mba ho ritra,
Fa ho iray
Mandrakizay...
Ho olona iray
Hotiaviko eto an-tany
No ilàko anao...
Ho ahy mandraki... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/mety-hoe | Mety hoe....? | Arisons | Mety hoe...?
-Eny, mety hoe tsy hino ahy intsony ianao.
-Anarin'ny fahatokisaka amina angamba.
-Saingy efa nolazaiko fa ny foko tena tianao.
-Ary tsisy intsony amiko toan-dry satria ny masoko efa jamba.
*Mety hoe adala aho indraindray.
*Manao taotao foana tsy mijery ny mety ho vokany.
*Eo amin'ny fijerinao izay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/ny-alina-amiko | Ny alina amiko. | Arisons | Ny alina amiko.
-Ao no ahatsapako.
-Ao ihany koa ny halalako.
-Fa tony atreo ny saina.
-Iny miandry indray ilay fiavin'ny maraina.
*Ao anaty ny alina mangina.
*Mako no haiko fa ahitana fitsaharana.
*Ny nofo efa reraka ny adim-piainana.
*Sy vatana toravana ny fisasarana.
-Anaty ny alina mako mazana.
-Noho mba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/indrisy-ry-malala | Indrisy ry malala! | Elysé Azrael | Izany sentom-poko,
Izaho mifokofoko:
Indrisy! Tsy hitanao...
Ianao mitoetra anilany,
Mianoka ny hirany:
Hadinonao tanteraka...
Ilay isika roa mangina
Nifanolotra ilay dina:
Toa tsy nisy re ry tiana!
Ny tanjotsika tsisy tratra,
Ny hany sisa? fo maratra:
Indrisy mantsy! Ianao lasa...
Indrisy! "Indrisy ry mala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/tena-resinao | Mbola atreto..... | Arisons | Mbola atreto......
-Vao eny niandoha nifankahalala isika.
-Dia tsy haiko fa lasa taminao foana saiko.
-Tiko tohizana foana tsy anampetra ireo tafantsika.
-Na aiza no misy ahy sy anao satry tena mamiko.
*Vao misaraka isika dia tsy andriko ny ampitso hitafana anao indray.
*Fa ny foko efa mangetaheta te hitia sy hia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hatraminny-nialanao | HATRAMIN'NY NIALANAO | Fredy Jaofera | HATRAMIN'NY NIALANAO
Hatramin'ny nialanao,
lava ery ny andro iray,
tsy mitsaha-mitatao
ny alahelo toa mivay.
Hatramin'ny nialanao,
eritreretiko re ny very,
malomaloka raha vao
indro oriory samirery.
Hatramin'ny nialanao,
nofiko foana ny hitady
fa mbola tsy mandao
ny fitiavako, aza fady.
Hatramin'ny nialana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/i-neny-sy-ny-fony | I NENY SY NY FONY | AORN | Odianao tsy tsaroana reo ketoky ny jaly
sy vesatry ny sento izay nanakely ny aina
ho tombontsoa ho anay, lay zanakao maditra
ry Neny mamy indrindra
Kanefa tsisy sitraka nasetrinay izany
fa mainka hatezerana rehefa mba tsy vita
tamin'ny ora mahazatra, ilay sakafokely
narosonao ho anay?
tsy hoe izany ihany, fa mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/fanantenana-vaovao | Fanantenana Vaovao, | Ravo | Fanantenana Vaovao,
Io maraina io,
Iposahan'ny masoandro;
antoky ny anio
sy ny ho avy isan'andro.
Fanantenana Vaovao
Hamiratra ho anao.
Bonne journée |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/taona-vaovao | TAONA VAOVAO | Ravo | taona vaovao
Poa toa izay dia lasa,
nivadika ny taona,
kanefa izay kinasa
tsy nisy vita akory.
Ny hery anefa lany,
reraka nimaona,
dia sorena be ihany
tsy te hanohy intsony.
ny taona ihany anefa
no lasana nandao,
tsy hoe lasana nilefa
fa nisolo ho vaovao.
ka aza mora kivy
fa ianao mbola eo ihany,
na tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/vetsoko-mangina | Vetsoko mangina | Elysé Azrael | Vetsoko mangina mbola hatramin'izao
Ny mbola hifankatia sy hiara-tsambatra aminao...
Mbola vetso tsy mangina manako anatiko ato:
Lay teninao hoe tiako ianao...Mampisento tsy miato...
Mbola vetsoko hatrizao fa ianao no ilay anjeliko,
Na tsy ho tanteraka amintsika ilay fitia volan-tanteliko...
Vetsovetso ihany ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/tanaty-segondra | Tanaty segondra. | Arisons | Tanaty segondra.
-Tsy haiko loatra mamaritra azy.
-Hoe manihany ve aho sa mivazivazy.
-Ny foko vetivety eo tehitampify anilanao.
-Ary tehizara sahady teny hoe tiako ianao.
*Nefa tsapako na dia segondra aza.
*Noho nahafantarako anao iny.
*Dia ny foko efa te hiriaria sy hilaza.
*Tena babonao aho ohatrany efa ela ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/tsy-ny-nofinofy-ihany | Tsy ny nofinofy ihany... | Herilanja RANDRIAMANGA | Tsy ny nofinofy ihany,
Raha ilay tamin'izany,
No tiana iarahana,
Ka hotanterahina...
Nijoro foana izaho,
Dia nanohana ianao,
Ary roso izany dia,
Fanilo ny fitia...
Noresena ny hatsika,
Nofenoina hafanana,
Fa ilay tokatranontsika,
Noho tena nahatamana...
Faniriana ny soa omban'ny Avo,
Ny valisoa no fisandra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/vony | VONY | Dogme Razafy | Vony a!
Mbola nanonofy anao aho,
Mbola io ilay tsikinao,
Tsisy banga ny endrikao
Hono, io ny feonao..
Eo antratrako, hono, Vony
Mamihimpihina ny foko,
Midoboka amiko ny fony
Manga lanitra ny loko...
Izany tsikiny e!...antray...
Vony keliko fahiny...
Vonikely sahisahy
'lay oroko no tena tiany!
Vony o!
Mafa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/mendrika | MENDRIKA | DADAFARAtolotra | Railovy tsara feo rehefa mihika fahasambarana
Mbola mponina any an'ala no sady mihidy varavarana
Mahantra resa-drendrarendra, toerana tsy hitam-basy
Mbola lamban'ny anjely, tsy handairam-pentina sy tasy
Izay olontiako izay !
Loharano an-tendrokazo, izay mangatsana indrindra
Havoanavoana marin-tampona, sanatria ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/eo-anilanao | Eo anilanao. | Arisons | Ny anilanao.
-Ny anilanao ry tiako.
-No hany fifalian'ny foko.
-Eo anilanao ry aiko.
-Dia manova ny toloko.
*Ny eo anilanao Malala.
*No ilaiko satria mahatamana.
*Eo anilanao ilay tsy manan-tsahala.
*Satria fitia feno miampy fahasambarana.
-Ny eo anilanao vadiko.
-Notena fahasambarako.
-Satria anilanao no ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tolotra-misantatra/topimaso | "TOPIMASO" | Tolotra Misantatra | Tora-po tsy satry navilin'ny maraina,
Saika hitaraina kinajo tonga saina tanaty indray ny lasa,
"re nanonja tampoka fa hoe tsy maintsy miasa"
Mamelona finoana.
Avy aho dia nifona,
Nivavaka malaky tanaty fisentoana f'indrisy nanadino,
Niala tao anatin'ny lisitry ny mpino;
Fa toa mpiangaly fatratra ny zavatry ny n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/feno-fahagagana | FENO FAHAGAGANA | Fredy Jaofera | FENO FAHAGAGANA
Raha ketraka sy lasa vinany,
oriory tsy mahita holazaina
ka mahabe fitomaniana...
Feno fahagagana itony tany
azon'ny olona tia antenaina
mandrakariva am-pitoniana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/ankamatatra | HITAKO IHANY | DADAFARAtolotra | Nahita mitatao vovona, t'anaty andro sasak'alina
Nahita lamba tsara zaitra, tena mbola tsara volona
Nahita kitana mamiratra tao ambadiky ny rahona
Sy nahita fahamamiana, t'anaty nofotry ny vahona
Topy maso indray mijery, segôndra kely monja ihany
Dia efa ampy naniriny, ka nahahenika ny tany
Tsy mba hoe nasiana di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/avy-ny-orana | AVY NY ORANA | Fredy Jaofera | AVY NY ORANA
Tonga izorana
eto tsy hita lany
irony efa toloko
fa avy ny orana
raha mitomany
ny ato am-poko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/nofy-sisa | Nofy sisa | Arisons | Nofy sisa.
-Indrisy aty afara toa vetso sisa.
-Ilay hany mba nofisiko ho paradisa.
-Mba nantenaiko ho lafatra.
-Kinanjo toa tsy takatra.
*Nofy sisa izany ankehitriny.
*Noho azoko antenaina aminao iny.
*Satria izaho sy anao efa rohy samihafa.
*Ianao koa tsy inona fa niova saha hafa.
-Eny, na dia marary aza misa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/very-dia | VERY DIA | Dogme Razafy | Very dia ny volana aho, be baliaka sahisahy
Henika mozika ntaolo, mampihovitra fanahy.
A! Mibitaka ny foko...toa ny masony io angaha?
Toa sary, toa anjely, toa fitiavana miha...
Ary iretsy kintan-kely, an'arivony mivazo
Toy ny voron-kely mihira, hitsikin'ny voninkazo.
Moa tsy feno ny aty foko raha mibanjina azy i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/efa-voasoratra | Efa voasoratra | Elysé Azrael | Efa hatramin'ny taloha
Hatramin'ny fahagola indrindra
No efa voasoratra mialoha
Ny fiainantsika efa voarindra
Efa voasoratra hatry ny ela
Ny fiainanao iray manontolo
Tsy misy bitika tavela
Fa voaisa hatramin'ny volo
Hain'ilay mpandahatra hendry
Ny nandamina ny fiainako
Fa nomeny ora efa voatendry
Ny fifalian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/hafatra | Hafatra | Frederic Rnf | Etsy anie ianao mba ho afarako kely vety vety monja raha toa ka handalo any aminy.
Lazao azy fa efa hadinony hono hoe ireo sambotra fitia nampindraminao azy teo aloha.
Voafafa tao am-pony ilay tsikim-pian-tsarambelatsia sy mody teny mamy nandratranao ny fony.
Efa nikatona hony ilay fery tamin’izany hoe dia efa mahay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/te-hihavana | TE HIHAVANA | Fredy Jaofera | TE HIHAVANA
Mbola te hihavana
hitranga ny rindra
nandao ;
tantaram-pitiavana
mamiko indrindra,
ianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/volana-tantely | Volana tantely... | Elysé Azrael | Vao nihaona isika roa,
Dia nifankahazo am-po,
Dia nifampitsiky kely:
Volana tantely!...
Dia mihaona tsindraindray,
Ny foko miontana indray,
Dia mitempotempo kely:
Volana tantely!...
Dia manonofy anao rehefa alina,
Anaty haizimpito lalina,
Nony avy eo dia taitra kely:
Volana tantely!
Dia nitory ilay fitia...... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/manonjanonja-anatiko | Manonjanonja anatiko... | Elysé Azrael | Manonjanonja anatiko
Mila tsy ho tantiko
Ny embona anao...
Fa mampahatsiaro antsika,
Sy ny fiarahantsika
Zay rehetra tojo maso
Sy izao tontolo izao...
Ndryyy! Ny foko izao onena:
Fa iny andrefana iny
Ilay masoandro mena
Fibanjintsika roa rehefa takariva...
Indreny koa ny vorona
Hamonjy ny akany
Nilaozany a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-tsiky | NY TSIKY | AORN | Moa mba fantatrao?
Ny tsiky dia fambara
ny hafaliana anaty
mivoaka avy amy fo
ka isan'ny mampiavaka
ny zanak'olombelona
amy zavaboary hafa...
Kanefa koa mazana
dia tsiky no ampiasan'
ireo olona tsy faly
ka entiny anesoana
'zay olona tsy tiany...
fa azo an-tsaina ihany
ny mampiavaka azy
satria tsy azo ambo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manabe | MANABE | Fredy Jaofera | MANABE
Manabe
ny tononkalo
vao mandeha
ka mandalo !
Manabe
ny fihafiana
nanadala re,
ka tsy ariana.
Manabe
ny ranomaso
nipoitra ange
nanasohaso.
Manabe
ny faharesena
vao rehareha
ny fandresena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiainako-anaty | NY FIAINAKO ANATY | Fredy Jaofera | NY FIAINAKO ANATY
Ny fiainako anaty
no avoaka ho soratra
isan'andro, zareo,
nanoratana, ohatra,
vao be ny toreo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toy-ny-tatatra | TOY NY TATATRA | Fredy Jaofera | TOY NY TATATRA
Tsy hahitana fangainana
fa hampitranga ny natao,
n'aiza n'aiza inty ka fohazy :
toy ny tatatra ny fiainana,
arakaraky ny napetrakao ao
no zavatra avoakany ho azy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/mpinamana | Mpinamana... | Elysé Azrael | Mpinamana isika roa,
Nifampibedy, nifampihanta,
Tsy nifanafina izay tao am-po,
Nifampizara ny masaka sy manta...
Iray kilasy, iray tanàna,
Mety ho iray fo koa angamba...
Mpisakaiza tsy nifankafoy,
Na ho aiza dia nifanjohy,
Izaho sy ianao:
Tsy nifandao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nambinina-evariste/tsy-vitanny-vava-be-16-02-2021-1810 | Tsy vitan’ny vava be | Nambinina Evariste | Tototry ny fitia anga Ramahatalanjona
No jere-mikipikipy
Kopahin-tanana mangaringarika
Tsy zakan’ny farihy itsony anga ny ony
No mitady vato eran’ny lalana
Sa efa mby an-tafotrano ny azo
No asesika hivoaka ny miditra
Sao lahy mihevi-tena ho manana ny mahavita taona
Nefa ny azo zara raha vonji-poritra ihany
Na ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/mihira-ny-natiora | Mihira ny Natiora... | Elysé Azrael | Renao ve ny feony fa mihira ny natiora?
Mihira moramora...
Mihira koa ny vorona,
Ho renao ny tonony raha ezahinao tomorina,
Fa mihira melôdia mamelombelona aina,
Mandrotsirotsy saina...
Mihira koa ny ala,
Mikalo mampahery ireo lavitra malala...
Mihira koa ny orana,
Mihira mampitony ireo misedra olana...
Mihir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/mba-miangavy | MBA MIANGAVY | Kazary2006 | Azafady kely moa Neny
Henoy aho mba hiteny
Aminao irery
Izay mety efa fantatrao ery
Tsy dia misy inona fa izao
Lazaiko ihany mba ho henonao
Henoy fa zava-dehibe
Ho lazaiko aminao ity ange
Efa ela ka hatramin'izao
Anio izy vao ho lazaiko
Satria mibaha toerana am-poko ao
Ka mikiky ny aiko
Aza omen-tsiny aho f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-taloha-taloha-foana | NY TALOHA, TALOHA FOANA | Fredy Jaofera | NY TALOHA, TALOHA FOANA
Ny taloha, taloha foana,
na ahoana, na ahoana
matoa lasa mankany
ny saina eto an-tany.
Ny taloha, taloha foana
raha eto re tsy moana
mikalokalo moramora
ny fitia tsy nigoragora.
Ny taloha, taloha foana
raha taza-manoloana
ilay salovan-tavanao
manilo tsy mandao.
Ny taloha, taloha foa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tolotra-misantatra/nivavaka-aho-omaly | "NIVAVAKA AHO OMALY" | Tolotra Misantatra | Teo ampandinihana ny ratsiko efa vita,
Teo ampamisaina ny misiko tomika aho,
No tonga saina tampoka!
Potraka niakapoka nitsaoka ilay Tsitoha;
Nitomany fatratra nifona tao am-po fa...
Hay ny zava-bitako tsy faneho masoandro.
Ampitso ihany ny andro,
Niarina aho kinanjo tampoka avy teo.
Tao an'eritreritro no reko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/taona-zina-2 | TRATRY NY TAONA | Fredy Jaofera | TRATRY NY TAONA
Ny fikasana
ho tanteraka
hahatamana
rehefa teraka.
Ny hafaliana
hipoitra lava,
na rahoviana
sy tsy ho rava.
Ny tarigetra
ho hita mora
tsy hisy fetra,
hanova ora !
Ny taona vao,
ho taona zina
mba ho anao
mangingina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tao-aminy | TAO AMINY | Fredy Jaofera | TAO AMINY
Izaho dia tsy mino
fa tsy nisy ilay fitia
tao aminy, halalino
izany re fa mangia.
Izaho dia tsy mino
fa tsy nisy ny tsara
tao aminy, hadino
ny soany very zara.
Izaho dia tsy mino
fa tsy nisy ny saina
mendrika, banjino
izy iny isa-maraina.
Izaho dia tsy mino
fa tsy nisy ny tsiaro
nankany, hamari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tambinota | TAMBIN'OTA | AORN | Raha ho avy ny fotoana
hialana ety an-tany
moa ho vonona amy 'zany?
fa hadinina amintsika
tsy hisy avela sy ho adino
indrindra ho amintsika "mpino"
hoe inona no vitanao?
Nanoloana ireo tsy marina
sy ny tsara izay navarina?
Ho tsiahivina ihany koa
ny ratsy rehetra izay niniana
ka nampitondra fahoriana
ho an'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/raorihavamanana | RAORIHAVAMANANA | AORN | "Tsy levon'ny vavoniko
tsy eken'ny eritreritro
ny hahita anao hisongona
sy hiakatra amy dingan'ireo
hanampitrisa...
nahoana kosa moa
ianao zay niara-nihosona
sy niara-nilomano
tanaty tsy fisiana;
ianao zay niara-refona
sy niaraka niforitra
nandrango fitsitsiana,
no ho tafita tampoka?"...
dia toy izany hatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lalaharison-havotraniaina/mangataka-fahendrena | Mangataka "FAHENDRENA" | Lalaharison havotraniaina | Ireo zavaboahary,
Nataon'ny Zanahary,
Isika no voatendry,
Hiasa sy hanendry.
Hitandrina hiasa,
Hanapaka hampiasa,
Isika no mandidy,
Nomena ny adidy.
Saina vatana fanahy,
Olombelona izany,
Ambony sady tsara,
Ambony fahalalana.
Miavaka isika,
Tsy toy ny zavaboahary,
Navahan'ny Mpahary,
Avy amin-janahary.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/izy-hono | izy hono | lamour | izy hono manam-bola
ka mizara sy mandray
amin'ny tiany sy maminy
izy hono tsy mba tola
fa mahay mampiray
ireo toaviny sy laniny
izy hono mahalala
izay marina sy diso
ka mifosa hatrany hatrany
izy hono tsy adala
tsy manao hata-piso
fa manome eran-tany
izy hono efa masina
tsisy heloka intsony
ka mitsara sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/hanina | hanina | lamour | ny hanina anareo sakaiza
toy ny rivotra sy erika
ka mifafy sy mandena
ny aty fo sy saina
'reo mpandalo aza miherika
manontany ny aiza
'ty olona lalaina
fa 'ty masonao jambena?
ny hanina anao malala
toy ny lanitra sy tany
ka manjohy 'zato dia
manjokozoko avy ato aoriana
manetsiketsika vinany
mamery saina to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/mavesatra-remix | Mavesatra remix | Sitlo | O ry Kanto, o ry Kanto
fa maninona ianao
no manao tononkalo
mahonena tahak'izao?
Raha ali-maizina ry lahy
mbola hisy ny maraina
K'aza vonton'ahiahy
f'asandrato re ny saina.
Meva ery ilay voninkazo,
Nefa zao hoe lasa maina.
Tsy maty izy tsy malazo
Tonga voa ho tohan'aina.
K'aza kivy re rahavana,
Na mafy aza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bobmcneal/alahelo-5 | ALAHELO | Bobmcneal | Malahelo mahasosotra
manalokaloka tsy hita fototra
alahelo manavestra ny fo
ny torimaso mila tsy ho to
alahelo an'iza nga
manangoly ny fanahy
mivezivezy ao antsaina
na dia vao misantatra maraina
mbola hitohy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiff/manina-anao | MANINA ANAO | tiff | manina anao aho rahavako
lasa saina sy misentosento
te hamboraka zany fitiavako
lasamborona mamentsoventso
te hiantoraka eny aminao
hamihina mafy dia mafy
tsy misy zay azoko atao
lavitra anao aho mantsy
ny saiko misavomboana
ny foko maniry ho tiavina
ny ertreritro aminao foana
ny ranomasoko tsy azoko lavina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/raha-vitanao | Raha vitanao.... | Volatiana Rahaga | Raha vitanao dia...
Adinoy iray minitra,
Izay hetraketraka sy setra,
Ny fonao efa triatra,
Izay nisalovana rehetra...
Izay mety handrendrika,
Ilay endrika
tsara, tamin'ny fiainana
nanananao.
Raha vitanao!
Adinoy ny efa lasa.
Alaviro am-po, an-tsaina,
Ny tsara ihany atao kinasa,
Omeo aina...
lefero ny faha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/mizara-ianao | MIZARA IANAO | Sunny | mizara ianao nnnmitsiky
na dia efa eo imolotrao aza
ny tomany sy ny tsetra
noho ny alahelo avy ao am-po
mizara ianao mitraka
na zogaimpahoriana
sy ny adidy sesehena
anaty ady sarotra
De mizara manantena
mangidy misy mamy
anatin"ny fiainana
ô! mizara ianao mino
na dia ritra fanambinana
mateti-pihavy loatra
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/zato-taona-aho | ZATO TAONA AHO | Volatiana Rahaga | Efa ho zato taona aho rankizy atsy ho atsy,
Efa 100 taona aho ity mbola tsy lasana,
Be loatra izany, amin’ny fiainana raha fivatsy,
Nanadino ahy mihitsy angamba ny fasana?!
Ireo iray tampo amiko rehetra tena tiako,
Izaho sisa no eto, ireo efa tapitra tarangana,
Ilay FARA-ny iny izao no nitomaniako,
Izaho ty velo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/fitia-vilany-tavy | FITIA VILANY TAVY | Volatiana Rahaga | Nahasarika anao hono ny rehetra momba ahy,
Voavakinao an-tsipiriany ny andian-teniteniko,
Tsy nihambatra ianao, lehilahy sahisahy,
Nahatsapa ny atilalin'ny rehetra mety afeniko.
Notetezinao izay mety ho fahalemeko,
Nombanao daholo ireo safidin-dalako,
Nankatoavinao izay marina nekeko,
Nekenao tsotra izao ny ants... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/ny-kaloko | ny kaloko. | lamour | ity rangotry ny foko
atosako hiboika
hanotsaka ny any
hijojo toa orana
hamonto ito tany
hameno sy hampihika
'reo mainan'ny toloko
ity hiran'ity aiko
atsangako hijoala
hanakatra ny ambony
hilaza 'zay hitany
'reo fo tsy mety tony
'reo saina adala
'reo sandry 'zay mibaiko.
ity vetson'ny fanahiko
mikiaka tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/hadinonao | hadinonao ? | lamour | hadinonao angaha 'lay tahotry ny ainy
'lay hovitry ny fony
tsy sahy nilaza akory
'zay antony sy fototr'ito
molony nangina?
hadinonao angaha 'lay maminy lalainy
miboika tsy nitony
netiny am-pandriana
netiny matory
toa lanitra fahafito?
hadinonao angaha f'izy mbola miady
hanapak'ireo tady
mamatotra mamonja
z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-irariako | TSY IRARIAKO | Fredy Jaofera | TSY IRARIAKO
Tsy irariako
ho tonga aminao
ireo fijaliako
namely tao ho ao.
Tsy irariako
hitranga aminao
ireo fihafiako
toa mila hankalao.
Tsy irariako
hipoitra aminao
ireo hakiviako
tsy nety nandao.
Tsy irariako
ho indro aminao
ireny fahoriako
nampirehitra vao...
Tsy ho zaka mihitsy,
na ahoana na ahoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/paiso-remix | Paiso remix | Sitlo | Tafatsiry indray ny maintso
Teo an-tokotaninay
Rako-pelana ny paiso
fa nasiko rano-
Tafafoha maraina aho
hifoka izany rivo-manitra
Saingy inona no tao
Raha tsy fofona sy lalitra
Eny ambony rantsan-kazo
ngoningonina sy vazo
lalimanga aoka izany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenotsoa/mainka | Mainka | Fenotsoa | Mainka
Ny fandavanao, ny drikinao
no mainka akia malala
mampitombo ny fitia ho anao
Ny avonavonao, ny esonao
mampitroatra ny foko adala
ny rehetra anatiko ao...
Ireo tsikinao miaro harika
no toa mampifikitra ny foko
dray mainka koa misarika...
Ianao miezaka hihataka...
tsy handre irony antsoko
o! tsy mampiv... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nangirifiry | NANGIRIFIRY | Fredy Jaofera | NANGIRIFIRY
Nangirifiry
ny ady sy tolona
toa isan'andro,
fa niziriziry
ho tonga mba olona
no tanjona antoandro.
Nangirifiry
ny sento sy ratra
toa nanadala,
fa mbola nikiry
sy hoe tsy nitsahatra
ny handrava sy hiala.
Nangirifiry
ny latsa sy fosa
toa nisesisesy,
fa makadiry
sy tsy mahakanosa
ny te ho mp... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento/serasera-5 | Serasera | Sento | Seraseran_dresadresaka Ahafahana miresaka Anehona ny ao an_do Ary koa reo vetsovetso_po Foko maro mifangaro Miserasera isan'andro Miresaka tsy misy akanavaka Na jentilisa na pivavaka la fantsa sy ny sisa Reo firenena tsita isa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/mavesatra | MAVESATRA | Ny Kanto | Mavesatra
Misy fotoana mavesatra indrindra
Tonga tsy nahy, misoko mangina
Mameno tontolo sy mampangina
Ny fo sy ny saina tojoim-pahoriana
Lany tamingana ny hafaliana
Fa ilay ali-tsy fantam-pihaviana
manitsak’andro no mamirifiry
Tsy zaka zakaina, mavesatra indrindra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/lavitra-3 | lavitra | lamour | lavitra sakaiza nefa ho aiza
hisioka de hihira ?
hiantso ny andakira?
hameno izay banga?
sa hihaino ireo hanina
dia tsy homan-kanina
fa vokim-betsovetso
lavitr'olontiana dia variana
mandrotsaka tomany
mibanjina 'lay any
anaty raho manga
dia manadino ny akaiky
ka taraiky
voafonjan'ito sento. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joro/anatra | ANATRA | JORO | Tsarovy ry sakaiza
F'ireo tanjon-dRay sy Reny
Dia manoro sy mitaiza
Sy hahasoa anao raha miteny
Raha ny teny 'zay lazainy
Entiny hananarany anao
Noho ianao sombin'ny ainy
Dia mba ho lasa olom-baovao
koa raha mananatra izy ireny
Aza hodiana tsy henoina
Fa mba raiso re ny teny
Mba hialana ireo voina
Fa ny ana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/ho-fahatsiarovana-ani-rado | HO FAHATSIAROVANA AN'I RADO | endrika01 | Makina zany molotra
Mangidy sy mafaitra
Ny fo toa hiongotra
Maratra tata-jaitra
Mandre fa lasa ianao ry Rado
Nandresy lahatra ireo bado
Hatraminay mbola zaza
Haram-bato mangatsiaka
No hany sisa hiatorahana
Ireo asa soratrao masiaka
No hitondra fanafahana
Mandria am-piadanana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/any-ankoatra | any ankoatra | lamour | 'reo tsiahin'ny omaly
nindaosin'andro sy fotoana
'reo sarin'ny taloha
noraiketin'ny tsiahy
mbola injao mitempo foana
miverimberina ao an-doha
manaitaitr'ity fanahy
te hitafa sy hamaly...
'reo lasana any ankoatra
nindaosin'tsento lavitr'any
'reo malala tsy himpody
mitazan-davitr'etsy ambony
mamohafoha 'ty to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joro/asa-2 | Asa...! | JORO | Asa angamba fa tsy haiko
Fa toa misy hery izay mibaiko
Manesika ahy mangina
Te hiresaka aminao ry tiana
Toa hery avy ao anaty
Mitroatra mila tsy ho tanty
Mahalasalasa ny vinany
Tsy mampipetraka amin'ny tany
Mahery vaika tsy hay tohaina
Mila haningotra ny aina
Manonja mafy tsy hay fefena
Mahery setra tsy hay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina77/misy-takona | misy takona | AINA77 | misy maso mijery
fa toa tsy tazanao
miy fo mitempo irery
izay mitempo ho anao
misy fitia mangina
ao anatiko ao
maniry anao ho olontina,
saingy indrisy tsy fantatrao,
indrisy takona aho kanefa,
izaho mahitanao hatrany,
angamba mety ho diso fiantefa,
ilay ftiavako tena mamy,
tsy ataoko mahakivy
ny masonao ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/ampy-ho-ahy | AMPY HO AHY | Ryana | AMPY HO AHY
Te hanoratra ho anao nefa miahotra ny tànana,
Toa tsy ampy izay ananana hilazàna ny anaty ao;
Aleo apetrako ny penina,
Aok’izao…aleo afenina…
Te hiresaka aminao nefa mibada koa ny lela,
Mamatotra toa tsy mamela ny didy, fomba amam-panao;
Ataoko ampy ny mimaona,
Izaho efa faly, afa-tsaona...
Te hahi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izaho-2 | IZAHO | Fredy Jaofera | IZAHO
Izaho, tsy hiverina
amin'iny lalana efa nandratra,
fa tsy azo leferina
izay nanadala sy mba nihatra.
Izaho, tsy hitodika
any amin'ireo nampidi-kizo
fa namotipotika
toa tsisy farany no nampizizo.
Izaho, tsy hamoha
ny efa natao hatory amin'izay
fa mafy tokoa
raha mangingina no zavatra hay.
Izaho, tsy h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tiako-ianao-ry-vadiko | TIAKO IANAO RY VADIKO | raozigasy | Tiako ianao ry vadiko
Tiako ianao ry vadiko
ary asongadiko
ho hitan ny tontolo,
fa ny foko ho anao daholo,
Tiako ianao ry vadiko,
ka ny vola ilay fitadiko,
katsahiko ho antsika,
k ireo nofy ho vita,
Tiako ianao ry vadiko,
ka ny vavak alahadiko,
sy ny hatako amin-dRay
hitahy antsika hiray,
Tiako ianao ry va... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanantsoa-ricardo/ianao-23 | IANAO | RAMANANTSOA Ricardo | IANAO
Ianao no namohizako, izay rehetra ananako
Ianao no notolorako, izay mba hoe fananako
Ianao no nianteherako, hany nitarainako
Ianao no nanokanako, ny andro rehetra iainako
Ianao no namborahako, ireo tsiambara-teloko
Ianao no nametrahako, nizarako ny alaheloko
Ianao no nitokisako, ianao irery iany
Ianao no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/sary | sary | lamour | ny tsikin'itsy felana
ny siokan'itsy vorona
ny kalon'itsy ravina
mampita anatiko ao
'lay sarinao nandalo
ny erika mifafy
ny varatra mitroatra
ny onja misafoto
mampita anatiko ao
'lay sarinao tomany
ny volana etsy ambony
ny kintan'alinkisa
ny rahona botsiaka
mampita vaovao
dia 'lay sarinao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/sanatria-tsy-fanakianana | SANATRIA, TSY FANAKIANANA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | SANATRIA, TSY FANAKIANANA
Ireny tovovavy ireny raha tsiriritinao ho tiavina
Betsaka ny diso hanta, maro koa ny miavonavona
Raha tazaninao ivelany dia hoy ianao hoe fanaperana
Fa ny any an-tranony any tena tsy azonao itoerana
Ny mampalahelo dia ity, simbasimba fahatany
Noheverin’izy ireo angamba, fa tsisy fetrany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/setriny-valinny-hafatr-i-r-a-d-o | SETRINY | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | Mipetraha aloha ianao,
Ary aza dia misento mafy
Na handrovitra fitafy
Fa henoy izay lazaiko;
Sombin-teny no voaraiko
Vao handia ny tokonana,
Sady nanana fironana
Ho fari-piainana ambony
Ka tsy mihambahamba intsony,
Fa miaina an-teny baiko
Sy ny "IALAHY" raha toa ka GASY,
Ary sary an-taratasy:
Olon-droa mis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/sambatsambatra | sambatsambatra | Rajordri | ...dia nisy tsiky teo imolotrao
natelin'ilay masoko
ka mamy tao am-poko.
...dia nisy feo avy any anatinao
indro niampita
ka nihira antratrako ao.
Dia toa sambatsambatra
tsy feno anefa ampy
ilay foko niandrandra
fifandraisan-tena marina
eto an-tany fandalovana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/satriko-3 | satriko | lamour | satriko ihany hianoka reo nofy
natosiky ny alina
nandrakotra ny saiko
'zay naniry hitosy
sy naniry handalina
ny mamiko lalaiko
satriko hiteny tsy miato
'reo bitsiky ny foko
mbola mitambolona
in'arivo fa tsy zato
henoko misoko
manery sy mitolona
satriko sakaiza
saingy tahotry ny loza
manodidina ahy
manjoh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara/mahonena | MAHONENA... | FARA | Manambàna ho avy;
Izany oram-pahavaratra.
Mitataho mampangovitra;
Ny hamaintin’iry rahona.
Mamikavika mafy ery;
Ny olona maneran-dalana
Ndeha ho aiza izy ireo ?
Ndeha hamonjy ny akaniny.
Indro zazakely iray;
Tsy mahita izay hodiaviny.
Mitoloko,manirery,
Tsy mba manan-dRay sy Reny,
Sady tsy mba misy akory
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/mihelina | Mihelina | Ny Kanto | Mihelina,
Mihelina ihany Ra-olombelona
Mifandimbidimby sy aelin’ny rivotra
Fa ny asa navelany ho antsain-ko velona
Ny soa hitsingerina, ny ratsy ho ringitra
Ny soa tavela sy ny firoborobony
Tsy hitsahatra hatreo ny fisandratany avo
Toa tononkalo amin’ny firedoredony
Tsy mety maty sy tsy mety lavo
Ny mamela ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/tsy-irery-ianao | TSY IRERY IANAO | Volatiana Rahaga | Misy ny toe-java-mahasambatra,
Fohy,mandalo dia miserana,
Misy jaly, fo voasabatra,
Mandava-taona maka toerana.
Nosim-pitia tsara faritra,
Nidaosin'onja dia adino,
Tantara niriana aharitra,
Dia vita ho azy tsy nampino.
Dia misy izao rehetra izao,
Eo ny mamy eo ny mafaitra,
Masoandro, orana mitraho
Hafanana, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/tsy-fantatrao | TSY FANTATRAO!!! | Mampikanto | Tsy fantatrao
Tsy fantatrao tokoa, ny ao anaty izay tsy fantatra
Tsy fantatrao indrisy, zary fono misitery
Tsy fantatrao mihitsy, eny mbola ho zary ankamantatra
Ilay ora sarobidy, andraindrany samirery
Tsy fantatrao tokoa, ny ao am-pony mangina
Tsy fantatrao indrisy, ny any an-tsainy any.
Tsy fantatrao mihitsy, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/tsy-haiko-intsony-1 | TSY HAIKO INTSONY... | Ryana | TSY HAIKO INTSONY…
Ireny nofy sy vinany nandravaka ny alina,
Nakariko mazàna;
Ny tahotro mavàny, satria saraka aho ka manina,
Nanahy fiafaràna;
Ny hafaliana lalina, nipololotra tsy hay notànana,
Fa feno sy afa-po;
Ireny didy nahafanina, nametra sy namefy làlana,
Nandrara tsy ho iray ny roa;
Ny anton’ireo tsiki... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/satria-feno | SATRIA FENO | Ryana | SATRIA FENO
Rehefa hitanao fa mendrika sy kanto
Ny tontolo izay jerena;
K’izay lalovanao mirindra sy milanto,
Ts’isy intsony mahasorena;
Rehefa ny hafaliana no tsapanao mivoaka,
Miboika avy ao anaty;
Raha toa fahatoniana no asetrinao ny traotran’
Ireo mandrahona sy miantsy;
Rehef’ianao mamindra fo ka tsy mitaz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/mihelina-tokoa-val-ton-ny-kanto-mihelina | MIHELINA TOKOA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | MIHELINA TOKOA
Valin’ny tononkalon’Ny Kanto hoe MIHELINA
Tsy ny olombelona ihany no miserana (mihelina)
Fa ny zava-drehetran’ny tontolo izao
Ka ny soa indrindra sy fanamperana
Dia mbola hielina tahak’izao
Kanefa aza adino ny kolokolony
Zay mitsimoka anaty tsy mety lany
Ireo dimby hamelona ny tontolony
Fa izy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/afo | afo | lamour | sendra tselatra niserana
tanaty ora tsy nampoizina
dia zary dotra fanamperana
satry foana hotohizana
afo kely 'zay tavela
notsofi-ndrivotra nandalo
tonga doro haharir'ela
nampiherika mpandalo
nanotohoto ny tontolony
nanova bika ny lalovany
ary tsisy'zay ho solony
satria mafana ilay lovany
na orambaratra mit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/mirado | MIRADO | Volatiana Rahaga | Nisy sahy nanohitra dia efa azon-tsiny,
Nisy ninia, na tsy ho to aza ny faniriany,
Mati-tangena fa namela ny hamamiany,
Lavo, fa niady ka mpandresy ho an'ny tiany.
Dia izay ilay RADO poeta avo lenta,
Fanta-daza fa tsy nihambo ho mpanana talenta,
Nanome fanantenana ho an'ireo voasetaseta,
Loharano naninteraka toh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hi-hi/lasa-4 | Lasa | hi hi | indrisy fa ilay andry niankinana
no indro fa nikoro
noraofin'ny ankaso ka tsy afaka nijoro
lasa, nopahon'ny taona
lasa, norombahan'ny fotoana
iza indray no antenaina
mba hamelona ny aina
saikatra indray ny penina
ny alahelo, tsy hay afenina
Fa, lasa ianao
Rado, tsirin'ny aingan'ny fanahy
no indro lasa, any a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/injato/anao-tiako | Anao Tiako | Injato | Vahotra ny lelako,
Mangovitra ny peniko,
Manintsy ny tenako,
Hita izay nafeniko,
Miezaka ny soratro,
Te hamboraka ny foko,
Mianjanga ny olatro,
Ireo vetsoko misoko,
Izay no ahafantarako,
Fa TIAKO ANAO,
ANAO NO OLON-TIAKO,.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samoela-razafindrakoto/voninkazo-miandry-baiko | voninkazo miandry baiko | Samoela RAZAFINDRAKOTO | Tononkalo ho fiombonana alahelo amin'ny fianakaviana sy ny firenena ary ny tontolon'ny zavakanto malagasy noho ny fodiamandrin'i Rado, ilay andrarezin'ny Haisoratra malagasy.
Voninkazo miandry baiko...
An-tany efitra sy ngazana,tsisy zava-maitso mihitsy
no mamelana mitokana itsy voninkazo itsy.
Ambara hoe "adalada... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-maty-fa-matory | TSY MATY FA MATORY | Fredy Jaofera | TSY MATY FA MATORY
(Ho fahatsiarovana an'i Georges ANDRIAMANANTENA na RADO )
Tsy maty fa matory
'ty poety ngezalahy,
fa any foana ka izory
'zao bitsika am-panahy.
Tsy maty fa matory,
hoy ny sanganasany
velombelona, mitory
eto ihany 'rony lasany.
Tsy maty fa matory,
hoy ny fahatsiarovana
miverimberina, mamor... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.