url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/aza-mitia-raha-mbola-tsy-vonona | AZA MITIA RAHA MBOLA TSY VONONA | IARANTSOA Mahefa | Hikiky ao foana ny tsiaro ny lasa
raha toa ka fihinina anatin'ny fo,
hanaikitra foana raha toa tsy voasasa
ny ratra navelan'ilay teo aloha.
Dia ho rovitra foana ny diary vaovao
raha tsy sainina tsara ny omaly efa dila,
sy ny dison'ny lasa tsy nety natao
mahatonga ny fo ho mpamadi-takila.
Hifandimby eo foana ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-ny-tody | MISY NY TODY | Fredy Jaofera | MISY NY TODY
Tsy mamaly faty
ny olona mazana
fa misy ny tody ;
ho fahombiazana
no hisodisody. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tsy-fahampiana | NY TSY FAHAMPIANA | Fredy Jaofera | NY TSY FAHAMPIANA
Ny tsy fahampiana
sy fahakambotiana
no tolona natrehina
voatery nopotehina.
Ny tsy fahampiana
mbola be fihafiana
no sedra noravana
fa toy ny fitsapana.
Ny tsy fahampiana
nahitam-pahoriana
no ady nitolomana
hahery fa niomana.
Ny tsy fahampiana
nitondra fanaviana
no zava-narodana
hananan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/aoka-hazava | AOKA HAZAVA | IARANTSOA Mahefa | AOKA HAZAVA tsy hoe mankahala
ny zava-boaforon' iretsy vahiny,
fa' ngamba ataoko fa olona adala
raha toa ka mitaty ny fako nariany.
AOKA HAZAVA tsy hoe fahantrana
raha toa ka mitia izay vitan'ny Gasy,
f'ilay toe-tsaina no mila ovana
tsy hamela ny antsika mba hangasihasy.
AOKA HAZAVA tsy hoe tsy mandroso
raha t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fifankatiavana | FIFANKATIAVANA | Fredy Jaofera | FIFANKATIAVANA
Ny fifankatiavana
dia fanahy anankiray
amin'ny vatana roa
tena tia mihavana
sy mora mifandray,
na ho ratsy na ho soa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/tiako-taloha | TIAKO TALOHA | IARANTSOA Mahefa | Satria ny amintsika efa rodana ihany
ka dia aza tsiny raha toa ka handao.
Hamafa ny lasa sy hanorina akany
honenan 'ny foko any lavitra anao.
Hatreto aho nitia tsy nanisy fepetra
hanandratrana anao tsy hanan-tsahala.
Nanaiky nilanja ny zioga rehetra
saingy mazàna toa anjorom-bala.
Tsy teliko intsony ny kapoaka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/kiakam-pahafahana | KIAKAM-PAHAFAHANA | Lantorose | Fety hono anio fa tsingerin-taona
Mandeha mafy kosa anie zany fotoana !
Fa efa enimpolo taona sy roa amby
Nahafahan'ny Nosy teo an-tanan'ny be sandry
Hatsangako ny saina ho mari-pandresena
Sy ho porofom-pitiavako an'ito firenena
Saingy aza omena tsiny raha tsy vonona hifety
Fa ny saiko tsy manaiky.
Toa mbola ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/gasy-leitsy-ialahy | GASY LEITSY IALAHY | IARANTSOA Mahefa | Gasy leitsy ialahy ,mba hajao ny tenin-drazana,
aza ny an'ny hafa no vonjena hiantsampazana.
Mba miangavy leitsy! aza dia ambaniana,
tsy hiala tsy ho gasy ialahy na oviana na oviana.
Gasy leitsy ialahy , ka mba hevero tsara
hoe teny toy ny ahoana no lovain’ny ao afara?
Moa ve ny teny gasy ilay tena tenindreny,
s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fo-tsy-manadino | FO TSY MANADINO | Fredy Jaofera | FO TSY MANADINO
Fo tsy manadino
no manoratra ho anao
ka avia re, fihino,
tsy hisy sento mitatao.
Fo tsy manadino
no manainga ny fanahy
ka izany, halalino,
fa ny aty ange manahy.
Fo tsy manadino
no mamelona hafaliana,
izao ampangino
ireo kalo tsy hay didiana.
Fo tsy manadino
no mitondra ny alahelo,
iza mo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/ny-vetsoko | Ny vetsoko | Lantorose | Raha izay hevitra vetsoina sy hiraina hatrany hatrany
No hanjary ilay tontolo hilomanosako ny ampitso
Dia hivetsoko fifaliana, eny izay rehetra tiako
Sy hikaloko hasambarana, tsikitsiky, teny mamy
Fa matetika ny ngidy, ny ratram-po sy ranomaso
No tsy afaka ao am-bava sy zary hirako maraina
Lasa kaloko ny hariva n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soraty | SORATY | Fredy Jaofera | SORATY
Soraty
tomandavana
hofantarina :
tsy maty
ny fitiavana
rehefa marina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/harena | HARENA | IARANTSOA Mahefa | Manafoka sy mitsara ny vavan'itsy ngetroka
mahita anay madinika motrongy vao mba homana.
apangaina ho nangalatra vao misy dona-tsetroka
mba mipololotra milefa ny vovonana.
Malaky miahiahy sy mailo izay tsy izy
manaranara maso, mangarika fijery,
mandidy ny mpanampy sy manafatra ny ankizy
hanadihady tsara sao nisy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-ilana-ady | TSY MISY ILANA ADY | Fredy Jaofera | TSY MISY ILANA ADY
Tsy misy ilana ady
rehefa tsy fitia mifamaly
no iarahana eto an-tany ;
tsy misy ilana voady
rehefa tsy ho voangaly
no tanjontsika hatrany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/isaka-maraina | ISAKA MARAINA | Fredy Jaofera | ISAKA MARAINA
Isaka maraina,
mivavaka aho aloha
hisy antenaina
ny adidy vao mifoha.
Isaka maraina,
mampiasa hery vao
tena mba ilaina
hampety izay atao.
Isaka maraina,
misy ezaka ombieny
azo eto efaina
ho bainga lavareny.
Isaka maraina,
misy vintana mivay
mbola lalaina
raha potraka indray. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nitondrako-fahoriana | NITONDRAKO FAHORIANA | Fredy Jaofera | NITONDRAKO FAHORIANA
Nitondrako fahoriana
ny eritreritra nankany,
nampiaina fanahiana,
nampiala avy hatrany.
Nitondrako fahoriana
ny safidy te hihavana,
nahalalako fanaviana
nisy nenina goavana.
Nitondrako fahoriana
natoky ny tsy fantatra,
nahitako fahakiviana
ny ora vao nisantatra.
Nitondrako fahoriana
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/sarotra-hanarina | SAROTRA HANARINA | IARANTSOA Mahefa | Miala, matesa, ary vereza faty
tsy lefitro intsony ny zava-miseho.
Tsy alika aho akory ka mbola hitaty
ny ota sy faika tsy laninareo!
Maro ny adala sy diso fatsora
lambolamboina amin’ ny saotra sy doka.
Tsipazana sisa dia manaiky mora
miaritra ny eso sy ireo fokafoka.
Voady sy toky aman-jato sy arivo
no nenti-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toeranny-lasa | TOERAN'NY LASA | Fredy Jaofera | TOERAN'NY LASA
Ny fahatsiarovana
no toeran'ny lasa
mitana avelo,
tsy tiako harovana
fa dia mampiasa
itony alahelo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fyh-rah-fredi/tsy-sitrapoko | TSY SITRAPOKO | Fyh Rah Fredi | TSY SITRAPOKO fa nga zaho mahalala izahy fitondran' ny ao ambony fa nga zaho ny hisafidy anao daokera ibatabaka gony
Fa nga zay ra sahirana dia ambanina sy andosira fa nga zay ra tsy manana dia tsy mendrika no atao namana
Fa nga sitrapoko ny tsy anana nga faniriko ho sahirana fa ny anjara sy n'lahatra zanahary no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fyh-rah-fredi/hadalako-ve | HADALAKO VE? | Fyh Rah Fredi | Mitia aho na dia tsy tiana misisika aho na tsy raraina niangavy foana aho na efa natosika mahatsiharo foana aho na dia tsy mba nirarahinao. Mipitrapitra aho na dia tsy jerena miangavy aho mba ho tiavinao nefa indrisy fa tsy nekena fa vao maita ana enao dia itako tena sorena sy kivy tsotra izaho. miharitra aho na d... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-manaraka | REHEFA MANARAKA | Fredy Jaofera | REHEFA MANARAKA
Rehefa manaraka renirano,
any an-dranomasina no hiafarana
amin'ny fotoana tsy ampoizina ;
izany akory dia tsy angano
fa lalana marina tsy hay ialana,
na inona na inona no tovozina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/be-tsikera | BE TSIKERA | Fredy Jaofera | BE TSIKERA
Ireo tsy mahalala
ny tantaranao
no tena be tsikera
ka mila hanadala,
mitady hanao
izay hampianjera. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fyh-rah-fredi/zandry-a | ZANDRY A! | Fyh Rah Fredi | Ampy izahy ny rendrarendra ka tsondrovy ny ohavinao ny adala sy ny ditra elao fa tsy mahasoa anao..
Zandry a! Aoka izay ny adalana mba andrao ny ray sy reninao mba ho lavorary ianao.
Zandry a! Ekeko fa maro ireo namanao ka elao ra te itarika hanao ny tsy fanaho matoa le zoky mananatra jarovy tena tianao.. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-hatahotrolana | TSY HATAHOTR'OLANA | NY HERIMAR | TSY HATAHOTR'OLANA
Raha misy fotoana iray mampahory
Na mitsoka mahery ny rivotadio,
Tsy omen-toerana ny sorisory,
Ny saina sokafy, ny fo ahidio.
Ny zava-drehetra mety tsy ahafaly
Kanefa tsarovy fa tsy tonga ho azy;
F'ireny sendra maro izay nampijaly
no ho zary hery hanapaka tady.
Manampy ny olana, sady manefy,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fyh-rah-fredi/babonao-aho | BABONAO AHO | Fyh Rah Fredi | BABONAO AHO tony taratra azavana ilay hendrikao tony volana mibalika ilay tsikinao, malefaka tokoa ka mahababo ny foko sy ny fanahiko iany koa.Fa vao maita anao aho dia midobodoboka ny foko maniry no ho tatanao dia ho sambatra isika ro.Te higoka fifalina eo anilanao aho! te hitady fasambarana eo akaikinao aho eeeee... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malina | MALINA | Fredy Jaofera | MALINA
Ny ranomasina dia lalina
amin'ny fitoniana
sy amin'ny tafiotra mahery
ka aoka foana ho malina
no mba fiangaviana
tsy hoentin'ny onja irery. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-mpandainga | NY MPANDAINGA | Fredy Jaofera | NY MPANDAINGA
Ny mpandainga mihevitra
fa izay mihaino azy
dia tsy mandinika,
raha amin'izany no tezitra
dia ho vaky ny vazy
misy eso madinika. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/antso | Antso | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Aiza izany teny,
Aiza koa ny soratra,
Aiza ireo mpiteny,
Antso avo, hiaka mora!
No ampitaina isan'ora,
Ao ampon'ireo voafidy
notolorana talenta.
Hanan_jo tsy very lasy
ireo talenta malagasy,
Ary iangaviana koa
mba andramo akaro lenta,
Hanandalana hizorana
ao am-pon'ireo tolorana,
ny fahaizana milaza,
mita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/valiny | VALINY | Fredy Jaofera | VALINY
Ny fanontaniana rehefa azo
dia efa voavaly an-tsasany,
ny tohiny sisa no antenaina ;
ialao any ny tora-boninkazo
handeha tsara itony asany,
hisy valiny izay tena ilaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nosy | NOSY | Fredy Jaofera | NOSY
Ny voa tsara
latsaka any an-dranomasina
dia ho tonga nosy
ka ho tantara
mbola ho kanto sy masina
hisy feon-dakolosy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tehaka-mirefodrefotra | Tehaka mirefodrefotra | Nosy Malala | Tehaka mirefodrefotra,
Tehaka fotsiny aloha,
Mankasitra sy mankato,
Reo mpitondra mahafatrapo,
Lolohavina antampon'ny loha.
Tehaka manarak'indray,
Manohana mandrakizay,
Ny zava-misy mampikolay,
Fa ny seza no arovanay.
Tehaka fampisehoana,
Miseho ho hitan'ny ona,
Matanjaka, tsisy mandona,
Amin'ny tany mora a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mampitony | MAMPITONY | Fredy Jaofera | MAMPITONY
Mampitony
ny fahitana
ranomasina :
ny lonilony
dia tsy tana,
mitsinkasina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-farany-ambany | NY FARANY AMBANY | Fredy Jaofera | NY FARANY AMBANY
Rehefa nahapaika
ny farany ambany
dia miakatra mora,
na mahery vaika
ny hilentika ihany
fa mbola tsy ora. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/ary-raha-ianao | ARY RAHA... IANAO ! | Dogme Razafy | Ary raha ianao tokoa no hany kintana eto an-tany
Hany ngadon-tononkira hampisidina itsy lolo...
Ny aty fony dia ianao, na ny sainy ianao daholo
Kintan-keliny ho doria, eny hatrany an'efitra any.
Ary raha ny volana ary no ho endrikao miheja
Hampitety ny fanahy nofy mamy ho anao rehetra
Ka mandavan'ito taona dia di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/haavo | HAAVO | Fredy Jaofera | HAAVO
Tsy hahazo haavo isika
amin'ny fihoarana ny hafa
fa amin'ny fihoarana ny tena;
eritrereto ka aza mihika
sao ho voa vao tena hijafa
rehefa tojon'ny faharesena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nahatonga-ahy | NAHATONGA AHY | Fredy Jaofera | NAHATONGA AHY
Ianao no nahatonga ahy
hanam-pitiavana
lalina isan'andro,
nampandry ny fanahy,
nipoiran'ny avana
sy ny masoandro. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fyh-rah-fredi/zanako | ZANAKO | Fyh Rah Fredi | Zanako efa lehibe enao zaho efa lasa ny fahazazana ho ohavy no bahandrino fa dada sy mama tsy manadino
Zanako hendre tsara dia andrao izahay ray sy reny ny fianarana no ifatoy fa sa zay no hasambatra anay ray amandreny #Alfredi |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/sento-miampita-i | SENTO MIAMPITA I | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Tsy hoe mitovy akory
ny rivotry mitsoka misangy io rahona io
Ny any mety ho tony
Ny aty mahery vaika misandoka tadio
Kanefa androany ihany
Raha lanitra iray fa rivotra samy hafa
No mitsoka aty sy any
Dia tsy mahasaraka ny fo te iombon-tafa
Ny foko raha misento
Fa malahelo anao ka te hahita ny any
Toa sarisary... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-anenenako | TSY ANENENAKO | Fredy Jaofera | TSY ANENENAKO
Tsy anenenako ny lasa,
na teo ny fotoana very
tamin'ny olona tsy tsara ;
nandamoka izay kinasa
fa hatram'izao mahery
itony saina manambara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/aoka-ho-tony | AOKA HO TONY | NY HERIMAR | AOKA HO TONY,
Aoka ho tony na inona tampoka,
Aoka ho tony dia hilamindalina;
Aoka ho tony dia miezaka mifantoka,
Aoka ho tony f'aza mora fanina!
Ny olana madinika anie misy foana,
'Reo tsy nampoizina manginy fotsiny ;
Aoka aloha hitony f'avelao ny fotoana
hamalona ny lasa, hitondra ny tosiny.
Iry rano iry izao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lal%C3%A0m-piainana | LALÀM-PIAINANA | Fredy Jaofera | LALÀM-PIAINANA
Rehefa mirary soa ny hafa
dia ho marobe ny fitahiana
fa izany no lalàm-piainana ;
fahendrena tsy ho voafafa
hampitranga ny hafaliana
tsy hanadala ny fisainana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-ny-omaly | TSY NY OMALY | NY HERIMAR | TSY NY OMALY...
Ny nenina tokoa fanafody mahavery,
Mampamisavisa ny nilaina fahiny;
Ny zavatra aterany manampy 'reo fery,
Mampameno toloko ny ankehitriny.
Raha tsapanao tsy ampy ny ezakao omaly,
Tsy manamelon-tena fa tsisy tonga lafatra;
Na eo ireo latsa mandrehitra afonjaly,
Ny lesona no tsoahy, tsy adino ireo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/manaj%C3%A0 | MANAJÀ | RASOA | Ny tsy manana sy tsy manaja hono
Dia zavatra iray
Tsy miraharaha ny eo am-pelatanana
Dia hangaihay
Satria tsy nitaiza
Tsy nikarakara, tsy nikolo
Dia hiverîna @ tsy misy
Ho zary tanam-polo
Koa koloy ny fitia
Sy ny fananana mba aharitra
Fa ny tsy misy sy mitobaka
Dia indray mandingana, tsy voafaritra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/ilay-rosekely | Ilay rosekely | Ilay FANAMBY | Ela izay naniriako
Rosekely tsaratsara
Zany mako no mba tiko
Mba handravaka ny tanàna
Ela izay nitadiavana
Rosekely maintso mavana
Zany mako no mba hery
Ho entiko eny ho eny
Ela zay nikasako zay
Rosekely eny aminay
Tiko mako raha mba anjara
Ravaka eny am-parafara
Ela zay,tena ela
Rose ina kay,sa apela?
En... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jacobson/be | BE... | Jacobson | BE...
Noteteziko ny vazan-tany Be dia Be, fa...
Tsy nahitako an'iny Be leloko iny
Raha tsy tany amin'ny distrikan'ny Betafo.
Indraindray izy somary Be cinema
Fa nanaovako Be lazao, ka...
Ny ankehitriny izy zakan'ny Be loha
Tiako izy na Be molotra
Tsy afeniko ny ambany hoe Be tampony
Dia tiany aho fa Be vôniny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy/ny-fikasana-tsara | NY FIKASANA TSARA | Fredy Jaofera | NY FIKASANA TSARA
Ny fikasana tsara
iarahana amin'ny Ray,
mitondra fandresena,
manova ny anjara
ho lamina amin'izay,
mahafinaritra jerena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-mitomany | AZA MITOMANY | Fredy Jaofera | AZA MITOMANY
Aza mitomany
fa misy fetra
ny fahoriana ;
marina izany,
aza mitsetra
no faniriana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-avy-ny-fotoana | HO AVY NY FOTOANA | Fredy Jaofera | HO AVY NY FOTOANA
Ho avy ny fotoana
tsy hisy fanaintainana,
mbola hahamoana
an'reo ratsy ny fisainana.
Ho avy ny fotoana
tsy hiainam-pahantrana,
tsy hisy ny noana
fa filaminana higagana.
Ho avy ny fotoana
tsy hipoiram-pahoriana,
ho hita hanoloana
ireo ambara ho fitahiana.
Ho avy ny fotoana
tsy hizoram-pah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ankapobeny | ANKAPOBENY | Fredy Jaofera | ANKAPOBENY
Izay tsy miova hevitra
dia tsy hanova zavatra
amin'ny ankapobeny :
tsy mahay mandefitra
fa milaza azy ho lafatra
amin'ireo atao ombieny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ho-ani | ho an'i... | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Ho an'i ...
Ianao ilay raozy mena
Zay hany mba nandravaka
ny nofin'ny maraina
tanaty zaridainan'
ny fiainako malia
tsy sahako notazana
fa niandrasako ora
hamelana finaritra
no indro nisy naka
ankeriny tam-poko.
Tsy diso akory ianao,
manaiky aho hitoloko
raha toa k'izay tokoa
no tosiky ny lahatra,
lay her... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/andramo-foana | ANDRAMO FOANA | NY HERIMAR | ANDRAMO FOANA,
Mety tsy nitsimoka akory ny nafafy
Dia tonga nigaina ilay hainandro;
Tsy afa-mivalampatra fa mihafihafy,
Toa mangidy lela foana isan'andro.
Valabalaka ianao vao maraina
Kanefa ny alina mbola ho lava,
Miady irery tsy afa-mitaraina,
Ny fanantenana mitady ho rava.
Lasa ary ny saina indraindray,
Mo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/p%C3%B4zitiva | PÔZITIVA | NY HERIMAR | PÔZITIVA
Fa lany vorona ve moa ny tany
No vorompotsy sisa ompiana?
Akohokely efa tamana any
No kotrehina mafy sy hampodiana?
Topazo maso ery ambony amotana
Fa feno tsorohitra mihira ny ho avy;
Ny tranony amin'izany tsy mba mikorotana,
Ianao eo anilany tsy mba manavy.
Aza mitsiritra manenjika lolo,
Tondraho n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fyh-rah-fredi/hay-ve | HAY VE | Fyh Rah Fredi | Hay ve ny olotiana tsy voatery ahasambatra hay ve ny fitia tsy misy tonga lafatra
Noheveriko hatrizay fa ho mandramaty ny anay Hay ve ka akosombolamena ilay toky fitia nomeny ahy
Ny foko mitsy angamba no adala ka nanaiky ho sombainy kiala
Dia manomboka androany ho arovako ny foko tsy hitia fahatany vehivavy mahay m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/fitopolo-na-valopolo-taona | FITOPOLO TAONA NA VALOPOLO TAONA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Fitopolo taona na valopolo taona,
no niezahana nanao ny kely mety ho vita,
alohan'ny hiampita ;
any amin'ny lalana handehanan'ny rehetra,
rehefa tonga ny fetra.
Fitopolo taona na valopolo taona,
no natopatopan'ny onjan-dranomasina,
vao nahita hasina.
Niezahana nampivoatra ny fiainan'isanandro,
na alina na anto... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandeha-ny-penina | MANDEHA NY PENINA | Fredy Jaofera | MANDEHA NY PENINA
Mandeha ny penina
tsy mety mitsahatra
fa tsy hay tenenina
ity alahelo mihatra.
Mandeha ny penina
tsy mety sakanana
fa tsy tsara afenina
izao ainga ananana.
Mandeha ny penina
tsy mety ipetrahana
ka mila hankarenina
ny antso mibahana.
Mandeha ny penina
tsy mety iangaviana,
na tsy misy are... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fotoan-tsarotra | NY FOTOAN-TSAROTRA | Fredy Jaofera | NY FOTOAN-TSAROTRA
Ny fotoan-tsarotra dia manome
ny fahalalana rehetra
tsy vitan'ny tany an-tsekoly,
azo ampiasaina hampandeha
ny misy tsy hitsetra
sy rehefa mitady fialamboly. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fialonana | FIALONANA | Fredy Jaofera | FIALONANA
Misy ny fialonana
ho an'ireo tsy manaiky
ny hasambaran'ny hafa ;
tsy hay takonana,.
na dia tsy manakaiky
fa ireny mantsy, mijafa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/jereo-ny-fitaratra | JEREO NY FITARATRA | NY HERIMAR | JEREO NY FITARATRA
Ianao mitady mpanoha-mahatoky?
Raiso ny fitaratra ka mba zahao;
Io tazanao tsy mba misoloky,
Tsy mba manary amin'ny lalanao.
Ny mahazo anao, tsapany tsara,
Tomany sy tsiky? Iarahany izany;
Ho anao tsy nino dia tsy mbola tara,
Fa tsisy toa azy raha eto an-tany.
Ianao no tafita dia izy ihany,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ampianariko-mandihy | Ampianariko mandihy | Nosy Malala | Ampianariko mandihy,
Etsy kely ange ndry ry Fi,
Ampianariko kely mandihy .
Dihy manana ny maha izy azy
Tokoa moa fa tsy vazivazy .
Atolefika kely ny soroka havanana,
Atolefika kely ny soraka havia,
Eo ambalahana, asina ny tanana,
Arahina tsiky, tarehy feno fitia.
Dihy soroka havia sy havanana
Somary midina r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/finoana-anandriamanitra | FINOANA AN'ANDRIAMANITRA | Fredy Jaofera | FINOANA AN'ANDRIAMANITRA
Ny finoana an'Andriamanitra
dia mitera-pahagagana
sy manoka-pitoniana,
mahamanga ery ny lanitra
mbola misy hazavana
manambara fitahiana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saoly/ho-ani-dada | Jironay | Lemady | Raha telo d'efa mampivalo, mampikolay ireo niteraka,
Ianao nahatafita valo am-pamendrehana tanteraka.
Ny namadihana tanety, ny namoronanao ireo tsy azo,
Ireo lalan-davitra voatety, nahazona aretina nandazo;
Dia mba hihinana sy ho tafita, hahabe ireo zanakao,
Fa anisany aho, nahita, ka haiko izay nosedrainao.
Anio... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/akaiky | AKAIKY | Fredy Jaofera | AKAIKY
Izay tia fianarana,
akaiky fahaizana
mandrakariva
fa fandaharana
lavi-pamaizana
sy tsy mba iva. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ranomasina-tony | NY RANOMASINA TONY | Fredy Jaofera | NY RANOMASINA TONY
Inona ihany àry itony
ora mamdreraka
mbola mahamay ?
Ny ranomasina tony
dia tsy miteraka
tantsambo mahay. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/heriko | HERIKO | Fredy Jaofera | HERIKO
Andriamanitra no heriko
ka mampijoro lalandava
amin'ny zava-tontosaina
ary Izy ihany no heveriko
mbola afaka hampisava
ireo izay tebitebin-tsaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maraina | MARAINA | Fredy Jaofera | MARAINA
Efa ketraka lalina
vao nisy nantenaina
ny toky nananana ;
nandalo ny alina
vao nahita maraina
nitondra fiadanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ifotorana | IFOTORANA | Fredy Jaofera | IFOTORANA
Ny tsetra ialao,
saino ny hodiavina
na ny lalan-kizorana,
tsy ho hitanao
ange izay tadiavina
rehefa tsy ifotorana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/hafatra-ho-azy | HAFATRA HO AZY | Lantorose | Na misy aza sento, alahelo, ranomaso
Dia ataoko ampy ho ahy izay tsara nomenao
Tsy fantatro hoe izaho sa ianao no nanakaso
Fa ny fantatro dia sambatra aho teo anilanao
Na nisy aza farany ilay natao ho mandramaty
Dia inoako fa tsy ho hadinoko ilay fitia avy aminao
Na mafy aza ny irery sy zary ratra anaty
Ny hany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manana-ambara | MANANA AMBARA | Fredy Jaofera | MANANA AMBARA
Manana ambara
ny ao am-poko
matoa aho manoratra ;
tsy mba voarara
fa dia misoko
fitia tiana hamokatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-fanao | TSY FANAO | Fredy Jaofera | TSY FANAO
Tsy fanao
ny mandoro
hazo mamoa
ka ialao
tsy hikoro
ireo zava-tsoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/manomboka-aminny-farany | Manomboka amin'ny farany | Nosy Malala | Manomboka amin'ny farany,
Natombony avy amin'ny farany,
Ny fiainany sy ny tantarany ,
Ka tsy natao mahagaga,
Raha toa izy ka olomanga.
Nanana tanjona iray,
Mendrika anatrehan'ny Ray,
Tarigetra izay notsimbinina,
Fahamarinana, Fahamarinana.
Amin'ilay andro tokana,
Zay hamintinana manokana,
Ny lalana izay not... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/anjara | ANJARA | Lantorose | Hatrizay aho nino hoe "ny anjara tsy mba miolaka"
Na ho ela na ho haingana ho tonga tsy atoraka
Kinanjo ankehitriny toa kivy ambony ihany
Hoe angamba ilay anjarako efa dify any ho any
Angamba aho nikimpy tamin'ny ora nandalovany
Na koa variana loatra tsy nahita ny nihelovany
Toa tavela irery miandry vasoka ny anj... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jacobson/fambolena-tandrenivohitra | Fambolena Tandrenivohitra | Jacobson | FAMBOLENA TANDRENIVOHITRA
Ariary zato am-pandriana, lasa tsindrona fangolena
Tsy manam-bola ny tandrenivohitra satria rehefa manorana ny andro, firaisana ara-nofo no ao an-tsainy fa tsy fambolena.
Mantsy...tsy efa nomena tany lena ?
Saingy niniany naveriny in-droa ilay "lena", 'lay lena mba hiteraka investissement ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rova-jahcs-ratsimbazafy/ireny-rehetra-ireny | Ireny rehetra ireny | Rova Jahcs Ratsimbazafy | Tsy haiko izay antony tena nisiany
Mety hoe rendrarendra na fahataitairana?
Nitsiry tanaty fa efa niriany ny
hitondra anjara biriky amin'ny fiainana
Dia niforona teny mba ho hitam-bahoaka
Nanaovana izay azo atao mba ho re
Ilay nampitsamboatra sy nampisafoaka
Ilay asa naseho ao anaty kahie
Nandany andro aho nand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/omeo-fiadanana | OMEO FIADANANA | Fredy Jaofera | OMEO FIADANANA
Omeo fiadanana, ry Ray,
irony tany feno ady
mba tsy hangaihay
no takiko, aza fady.
Omeo fiadanana, ry Ray,
ireo fadiranovana
fa be ange no fay
hany ka torovana.
Omeo fiadanana, ry Ray,
ireo marary foana,
sitrano re handray
hery manoloana.
Omeo fiadanana, ry Ray,
ireo kambotinao
ho tretrika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehareha | REHAREHA | Fredy Jaofera | REHAREHA
Ny fiainanao
dia nofin'ny hafa
ka aza mandeha ;
tsarovy izao
tsy ho voafafa
fa ho rehareha. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mafy-ny-marary | MAFY NY MARARY | RASOA | Azoko takonana
Ny tsy fihinanan-kanina
Azoko saromana
Ny mikorontana sy tsy milamina
Azoko afenina
Ny famitahana tsy sitraka
Azoko tsy tenenina
Ny vono sy ny fitaka
Azoko sarahana
Izay nampitondra faisana
Azoko tapahina
Izay ratsy fifandraisana
Fa tena miharihary
Ny tsy fahampiana
Raha sendra indray marar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/ny-teny | NY TENY | RASOA | Entintsika manambara
Izay tian-kolazaina
Na ny mora izay entina
Na ny mafy tsy zaraina
Voarafiny avokoa
Ny am- po miloaka sesilany
Na ny alahelo tiana haboraka
Mbola arahiny tomany
Manamaivana ny vesatra
Manavesatra ny maivana
Fanafody mahatony
Poizina mitondra haizina
Manasitrana ny fery
Mampisokatra ny o... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-tiako | RY TIAKO ! | Fredy Jaofera | RY TIAKO !
Nony tsy toy ny taloha
ny fiainako etoana
dia nihalava ny andro,
nanjary tsy hitako moa
ireny firavoravoana
natao ery mba hitandro. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soayin/tononkalonilay-olon-tiako | Tononkalon'ilay olon-tiako <3 <3 <3 | Soayin | Oui, 3 Taona Kia No nahazoko Fitia
Nahazoko attention tamin'indry
Tsarondry ve ITI? Lym? TOY? JeLY?
Any teny fohy ifampizarana fitia
Nampianarindry mitia tokoa
Ty 'zah Tsy mpivaky loha
Nampianarindry Itady Teny fohy
Mba ilazana fohy
Ireo Avy ao ampo
Tsy manampaharoa
Vao maraina Vao mifoha
Tsy indray tsy indr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsiky-anombohana | TSIKY ANOMBOHANA | Fredy Jaofera | TSIKY ANOMBOHANA
Tsiky anombohana
ny andro mahafinaritra,
dia indro hogohana
ny mamy izay tsy aritra.
Tsiky anombohana
ny andraikitra sahanina
dia indro hanohana
ny rindra vao tazanina.
Tsiky anombohana
ny adidy miandry hatao
dia ny hifantohana
ho metimety lava izao.
Tsiky anombohana
ny lahasam-pivelomana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/ianareo | IANAREO | RASOA | Ianareo no ray sy reniko
Tsy mbola adinoko, tsy afeniko
Loharano nipoirana
Tena hazo nifikirana
Nampijoro, naha- olona
Hiatrika sy ho vonona
Mangasihasy ireto zafikely
Tsy nahalala anareo na dia kely
Ianareo no zanako
Laniko raha azo nohaniko
Tena nihezahiko mafy
Mba hijoro sy tsy hiafy
Nentiko niampita
Sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/soa-fa-teo-ianao | SOA FA TEO IANAO | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | SOA FA TEO IANAO
Isaorako indrindra
Ry Raiko tena tsara
Ny fitantananao
Na andro be migaina
Na ora mamanala
Io teo foana Ianao
Tsy nahafoy nandao
Na dia minitra iray
Tsaroako omaly hariva
Ny foko raha nahatsiaro
Ka rotsaka tomany
Satria dia nialoalo
Ny endrika navelan'
Ireo fahiny lasa
Dia teo Ianao nama... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/velona | VELONA | Fredy Jaofera | VELONA
Ny olona no maty
fa tsy ny tantarany
na ny momba azy ;
mitoetra ao anaty
izay mba anarany
fa tsy amin'ny vazy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fo-tsara | FO TSARA | Fredy Jaofera | FO TSARA
Tsy misy hatsaran-tarehy
mamirapiratra hazavana
noho ny fo tsara,
na iza na iza no mihomehy,
maneso tsy hay rarana
ny lalan-tantara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/koboninao | KOBONINAO | RASOA | Misy zavatra tsy lazaina
Ao anaty maka faka
Tsy mba tianao ho tantaraina
Na dia hita hoe efa tsy zaka
Dia notandremanao tsy hiely
Eh ! Ny saina koa noferana
Hitazona izany irery
Tsy hamoaka hanenenana
Izay no tsiambaratelo
Tsiambararoa mihitsy
Lasa nivadika alahelo
Lasa aretina mikiky
Dia hilaozan-teny iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toepanahy | TOEPANAHY | Fredy Jaofera | TOEPANAHY
Tsy resa-bola
ny fahantrana
fa toepanahy
voavolavola
tsy ovana
ka manahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-mahazo | NY MAHAZO | Fredy Jaofera | NY MAHAZO
Tsara ny mahay
fa tsara kokoa
ny mahazo
no hafatra iray
manam-boa
ka fafazo ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/avy-aminny-lasa | AVY AMIN'NY LASA | Fredy Jaofera | AVY AMIN'NY LASA
Avy amin'ny lasa
no iainana ny anio
sy hibanjinana ny hoavy
fa afaka hanasa
ireny ratra, tadidio,
ho hafaliana be matavy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ontsy/ilay-jiolahimboto | Ilay jiolahimboto | ontsy | Enjehina lava, atosi-bohon-tanana
Andosiran-davitra, tsy avela ho namana
Tsy topaza-maso, fa hiatakatahana
Fa fositra, hono, ka tsy azo amaharana.
Sokajina ho boto, ho mpibahan-dalana
Ilay faraidiny, satria tsy manana
Mampihaoka mandoa, tsy mba fandray tanana
Endrey andihizana rehefa lasana
Tsy azo otronina, ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tsy-mampilamina | TSY MAMPILAMINA | RASOA | Misy eritreritra tsy mampilamina Mahafaly ahy raha mba mijanona
Efa hatrin'ny ela no toa mahafanina
Manaraka ahy andro aman'alina
Oreo zava-bitako tena azo kianina
Maro koa no tsy vita, tsy
nosahanina
Ny fianakaviako zary "tsy manan-kohànina"
Izay mba novoleko, Tsy misy vanona
Koa rehefa nodinihina sy notazanin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/r%C3%B4b%C3%B4 | RÔBÔ | RASOA | Htramin'izao aho dia mitady
Olona hiarahana
Tena mbola anaty sivana
Anaty fanavahana
Marobe mihitsy
Ny fepetra apetrako @ izany
Toy ny vehivavy mahay mitsitsy
Fa tsy mandanilany
Vehivavy matanjaka
Salama sy tomady
Fa tsy taizan ' aretina
Ho an 'ny zanako ho avy
Ho maranin-tsaina
Sy tia karokaroka
Tsy azo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ambony-sa-ambany | AMBONY SA AMBANY ? | Fredy Jaofera | AMBONY SA AMBANY ?
Ny olona ambony,
mitady ny Marina
tsy misy lonilony
ka mora miarina.
Ny olona ambany,
mitady ny lainga
ka tratra hatrany
isaky ny miainga. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tsy-nampilaza | TSY NAMPILAZA | RASOA | Lasa ianao tsy nampandre
Ho anay tena tampoka be
Izahay mbola nanantena foana
Fa mbola ho lava ny fotoana
Hiarahantsika mikalo
Ireo hiranao tena maro
No hankafizinay
Nefa dia hitsahatra amin 'izay
Satria, isika tsy tompon- tsafidy
Ny fandaharana, Azy n'y didy
Koa mandehana, mandria am-piadanana.
Izahay tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/misolo | MISOLO | RASOA | Ny endriko mitsiky
No hanafenako ity foko maratra
@ ity fisarahana mikiky
Tsy nampoiziko hiatra
Efa nandramako ny saina
Mba hanaiky ny fanadinoana
Nefa herim-po very maina
Ilay fitia tsy haiko ho soloina
Izaho anefa no niala
Tsy nisy fandeferana
Mitabataba toy ny adala
Izao lasan ' olona ny toerana
Raha mbo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandanny-fo/mandako | MANDAKO | mandan'ny fo | MANDAKO
Mamiko tsy foiko raha ianao io malala a!
Ao anatiko ao no toa mila ho adala
Nihevitra ny tsy hitia intsony anefa tojo anao
Dia tojo tiana ka nitia tsy mba nolavinao
Anaty fo no toerana nomeny anao ry tiana
Na dia sarotra taizana ihany aza izy (am-po mangina)
Izy lay mora babo, sanatria raha hivadi-doko
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tafatambatra | TAFATAMBATRA | Fredy Jaofera | TAFATAMBATRA
Rehefa tafatambatra ny fo
dia tsy misy ny halavirana
fa be ny fifankahazoana ;
ny fitiavana dia tsy mety lo
fa isan'andro mahamirana
ka tsara foana hirosoana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sokafy | SOKAFY | Fredy Jaofera | SOKAFY
Sokafy ny saina
alohan'ny vava
rehefa hiteny
dia hohajaina
ka hampisava
kiana vao eny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hontsa-aho-ry-firenena | HONTSA AHO, RY FIRENENA !... | Fredy Jaofera | HONTSA AHO, RY FIRENENA !...
Hontsa aho, ry firenena,
mahita anao sahirana
ka ny masoko aza lena
fa tsy misy ny ifikirana.
Hontsa aho, ry firenena,
mahita anao torovana
fa dia trosa no babena,
fahoriana no lalovana.
Hontsa aho, ry firenena,
mahita anao zimbaina ;
izao dia tsy azo ekena
raha toa ka tantarain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanajana | FANAJANA | Fredy Jaofera | FANAJANA
Izay manaja an-drainy
dia hahita fanajana
rehefa manan-janaka,
na mafy izay lazainy
tsy misy fiafarana
ho soan'ny taranaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tolompiavotana | TOLOMPIAVOTANA | AbouNusrayni | TOLOMPIAVOTANA
1. Isanteny mba faneva iray fahiny
Nanamarika fitiavantanindrazana.
Nangatsiaka namanala ankehitriny
Fa savolain’ity fiainana efa mazana.
2. Ny firenena raha tiana hasandratra.
Misy ezaka sy asa soa iombonana.
Ny filamatra sy saina mila atambatra.
Tsy ankanavaka anarampiangonana.
3. Raha samy te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/matoa | Matoa | Nosy Malala | Matoa,
Matoa potika ny Hasina iray,
Voazivaziva, atao antsonjay,
Tsy noho ireo manatanteraka izany...
Ny tompony no variana any ho any..
Matoa manjaka ny tsy fahamarinana,
Ny marina indray no atao dika vilana,
Tsy noho ireo lainga izay namahanana,
Fa'reo fefy no toa baranahana.
Matoa betsaka ireo fahavalo,
Ts... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.