url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/na-mandalo-sedra-mafy-aza
Na mandalo sedra mafy aza
Hajanirina Mahavaly
Na mandalo sedra mafy aza aho Tompo ô! tsy hivadika aminao Na maro aza ireo fitsapana mamay Nataonao ireny hahasoa anay Fahoriana,fijaliana maro nifanesy Nandreraka ny fo ka efa mila ho resy Soa fa teo Ianao Jesoa nampahery Nampitraka sy nanakatona ny fery Ny famindram-po sy ny fahasoavanao Matoa aho mbola mia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/i-m-p-i-r-y
I M P I R Y
Mikalo nantenaina
Impiry aho no lavo! Impiry aho no resy! Fa teo fona ianao... Nampahery ,nampitraka R'ilay "andriamanitra" tsy mba manavaka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ito-soratro-ito
Ito soratro ito
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ito soratro ito no hilazako ho anao Ny tena mahaizy azy ny tenim-pireneko Tiako sady mamiko ka tiako ho maminao Ka raha hosoloina ny hafa, fady raha ho ekeko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/fitiavana-a
FITIAVANA A?
Mikalo nantenaina
Fitiavana izany dia fon'olon-droa: Voarohin'ny tady tsy tapakin'ny antsy Voatana kofehy,tsy ravan'ankaso Kanefa tsy "GADRA" a! Fa fo roa mifangia sy "AINA" iray mandrakizay... Fitiavana izany! Tsy lefim-pahaterana, ...madinipihavy fa mahatondra-drano Fitiavana izany! Tsy toin'ny paraky: Ka hatreo ambava ihany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/m-a-t-o-a
M A T O A
Mikalo nantenaina
Matoa aho mitsiky manafin-tomany, Nandona ny tratra. Mamokona tanana amin'ny toloko mpiandany! Tsy tiko ny ampitso no handresy ahy, tsy hiady! Matoa aho mijoro miatrika ny ady dia... tsy tiako ho vaky tady ny fanantenana, Fa matoa aho toy izao! Tsy voakoro, tsy ravan'ankaso! Dia... Efa hatramin'ny fahago...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/noelim-pitserana
NOELIM-PITSERANA
Fredy Jaofera
NOELIM-PITSERANA Noelim-pitserana no maka toerana ka sento mangina no fangirifiriana. Noelim-pitserana efa mba noferana saingy mandrava 'zay tsikiko lava. Noelim-pitserana tsy afa-manerana fa mivoy alahelo sy tsiambaratelo. Noelim-pitserana misy fiheverana tsy tantiko izany ka latsa-tomany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy-tia/tia-aho
TIA AHO...
Fy Tia
Tiako izy satria... Tarehy mahafatifaty, ny bika koa tsy ratsy, ny fitafy soa mirindra, milanto ny famindra, ny volo tsara raotra, ka tena kanto loatra. ...Fitiavana ve izany? Tsia, toa ivelany ihany. Tiako izy satria... Ny tsikiny mambabo, ny fiteny koa mandambo, ny fihetsika malefaka, tsotra ny firesaka,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/zaridaina-hafa
Zaridaina hafa
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Hono wa malala Fa efa impiry nifindra nofontany Ianao ry voninkazo natokana ho tondrahako Dia mba manahoana, sa ve sahala ihany Ilay nonenanao sy ny tany eto amin'ny sahako Ianao no mahalala Izay rehetra tany, nefa matokia Fa nofontany tsara vao avy notrandrahana No efa mba natokako hitoeranao aty Dia efa misy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/a-z-a
A Z A
Mikalo nantenaina
Aza ianao akory manadala izato foko, Fa ilay ratra nampahory tsy mbola hoe "nanolatra" Aza ianao mikiry Fa... Aleo hikisaka ny ora Aleo hiodina ny taona Fa hatram'izao? mbola tsy afaka ny saona Aza ianao mikiry Mikosoka ny lasako Fa... Sao ianao indray No hanitatra ny ratrako Aza ianao misisika Fa... A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-ady-mira-3tiako
NY ADY MIRA "TIAKO"
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
NY ADY MIRA "TIAKO" Niniako tsy jerena ilay masonao mivandra mampatahotra ny foko niniako tsy nohenoina ny feo mivatravatra narefitrao ny sofiko niniako nandosirana ny salovan'endrikao mivinitra atezerana niniako nihodirana ny fivatravatranao sangoa dia anahirana ny tranga mety hiseho... kanefa, na inona...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nitranga-indray
NITRANGA INDRAY
Fredy Jaofera
NITRANGA INDRAY Nitranga indray ny tsikin'ny lasako ka nampalailay fa tsy nandrasako. Nitranga indray ny kintan'ny aliko ka tsy mba hay ny tsara havaliko. Nitranga indray ny toky nananako ka te hifandray, na efa nofaranako. Nitranga indray ny senton'ny foko ka marina izay matoa nohadinoiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mba-vatrany
TSY MBA VATRANY
Fredy Jaofera
TSY MBA VATRANY Tsy mba vatrany namafa ny lasa ka tsy tratrany ireo nokinasa. Tsy mba vatrany nanova ny taona ka izay ratrany, mbola nisaona. Tsy mba vatrany nivoy fitiavana ka izay fatrany, zara, rahavana. Tsy mba vatrany ka ny maso lena fa 'zay katrany : vola sy harena !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/n-y-a-i-n-g-a-n-n-y-p-o-e-t-y
N Y A I N G A N ' N Y P O E T Y
Mikalo nantenaina
Taratr'andro osaosa Manainga ny embona hamangy an'ankaratra, . . . dia iny nisosa Nanaraka mora, Nivoaka imolotra ny aingam-panahy . . . Mitety onjan-drano tsy mety voafetra, Mamoha ny ambiroan'ny maty rehetra! Kanefa, mandevina ny tsiahin'olombelona, . . . dia iny nipoitra Nitrebona an-tsaina, Manetsika ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andosirako
ANDOSIRAKO
Fredy Jaofera
ANDOSIRAKO Andosirako ny olona rehefa mamololona toe-panahy ambany toa henatry ny tany. Andosirako ny trano 'zay nahitana angano, na hita ho be harena itoeram-bolamena. Andosirako ny andry 'zay tsy nahatafandry, na manan-java-tsoa tsy manam-paharoa. Andosirako ny taona tsaroana nampisaona, na mirakitra t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malagasy
MALAGASY
Fredy Jaofera
MALAGASY Malagasy fiteny no mamy loatra tsy foy ombieny fa mampivoatra. Malagasy fijery no harena lava tsy tia mamery fa mpanazava. Malagasy fijoro no bika lalaina tsisy horohoro rehefa deraina. Malagasy fitafy no hajako iray raha toa afafy rehefa tsy hay.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/avelon-jazarano
AVELON-JAZARANO
Mikalo nantenaina
Vao nitsaika tao am-bohoka ilay fifanenkem-pitiavan, Dia nahohokao sahady Nolevoninao tsy ho zaza Ny ranon'aina nifangia, Navelanao ho nofy ho an'izao tontolo izao Ny hatsarantarehiny! Fa kosa ry sakaiza! Ny avelon'izy ireny ilay mifatotra any ho any... Novelomin'ny poety tamin'ny fofonain'ny teny Norakentin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/hampaninona-moa-
MOA HAMPANINONA ?
NY HERIMAR
MOA HAMPANINONA? Moa hampaninona ny fotoana lany Sy teny mankarary Raha tarana-bilona? Hampaninona moa Ny miari-pijaliana ho an'ny tena tiana Raha tena tia tokoa? Hampaninona tokoa Ny manantena tsisy Sy sendra ny "indrisy" Raha baikoin'ny fo? Tena tsy hampaninona Raha tena tia tanteraka, Tsy hahatsiaro r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/lasa
LASA
Mikalo nantenaina
(Valin-kafatra ho an'i...) Lasa... Lasa...tsy nisy tamàna, tao no nentin'ny anjara sy lahatra tao no lao... dia lasa nandao ny tanàna Ka ny ambiaty sy seva mijoro? 'reo no dindon'ireo tovolahy, Mijoro sy miandry tanàna, Fody no sisa mamangy ity tanàna mahalao monina Fa ny olon-tety? ...lasa tsy nisy tamàna ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/fani...ri
"FANI...RI..."
Mikalo nantenaina
Faniriako hatrin'ny ela no mba hotiavinao, matsy aho efa ela...no nioty an'eritreritra ny an-tsaran-tarehinao, Efa ela aho no nioty tan'eritreritro ao... 'lay tsikinao malefaka mitondra hasambarana... tsy takatra ho pesenina, Ny fahatsoranao tsy mampisalasala tsy voasandan'ny miliara, Fa "RADO"lafo vidy fanaing...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy-tia/sary-fy-selfy
SARY FY
Fy Tia
SARY FY (selfy) Eto aho...maka sary antsaina Irony nifonofy niainantsika rehefa mba tafaraka. Malaina ery hisaraka Fa mamy sady fy, mianoka fitia anaty fahasambarana Toa azoko an-tsaina isika roa miaina Toy ny tsy eto an-tany fa any an-danitra any no ivalaparan' Ireto fontsika roa, zatra mifandray ...mitambatr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/poeta-sy-ny-sariny
POETA SY NY SARINY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
POETA SY NY SARINY! mba nanoratra izy saingy! tsy ilay ainga tao anatiny no nanosika azy hanoratra fa noho ny alahelo anaty noho ny ratram-po tsy tanty dia nitsiry tao an-tsainy ny hamadika ho rima, ny lalan'ny fitiavany. ary lasa anton'asany ny manandratra ny peniny ho eo ambony taratasy mandany ranomaint...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/fitiavanolon-droa-hoe
FITIAVAN'OLON-DROA HOE?
NY HERIMAR
FITIAVAN'OLON-DROA HOE? Mahalasa saina ny mieritreritra azy, Fitiavan'olon-droa manomboka mamelana; Tsy mbola tena matotra, miharo vazivazy, Raha ny fisarahana? Tsy azo ferana. Mitana fifandraisana? Tena tsy mora, Ny maso amin'izany te hitompy any an-kafa; Toa rava vetivety ilay aina sy akora nandrafitra azy it...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/fo-mifankatia
FO MIFANKATIA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
FO MIFANKATIA ny foko sy ny fony toy ny raozy iray mamony novolena an-jaridaina mitsimoka, mamontsina mamelana, mandrobona kotran'andon'ny maraina ny aiko sy ny ainy, ny saiko sy ny sainy iray vina ny ho doria fo mitambatra ho iray ary ho sanatriavinay ny handravàna ilay fitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nanefy-ny-toetrako
NANEFY NY TOETRAKO
Fredy Jaofera
NANEFY NY TOETRAKO Ny sedra nipoipoitra maro tsy voafetrako, na dia nitanjozotra, nanefy ny toetrako. Ny ratra nofafazana nahosa ny rehetrako, na dia efa tsy tazana, nanefy ny toetrako. Ny ngidy tsy nirina nanafy ny tigetrako, na tototra habibiana, nanefy ny toetrako. Ny ady nampahory sy 'zay pararetrako,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ekeko
EKEKO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
EKEKO! Andriamanitra ô! na dia maro aza ny fahotako dia mbola sahiko ny mijoro fa izaho manana Anao na dia maro aza ny adalàko dia tsy navelanao hikoro ny finoana anatiko ao indro aho manolo-tena sanatria raha noterena fa ny herinao no amiko ny fitiavanao no mamiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/aza-akasika-ahy
AZA AKASIKA AHY
NY HERIMAR
AZA AKASIKA AHY Aza akasika ahy fa aoka sakano Ny fo tia tena Tia vola sy harena Fa fo tena tia no hameno ny trano. Aza akasika ahy fa mba avilio lalana Ny rendrarendran'ny nofo Izay mora miofa Mba ho lao sy ho ringana Ka hanalavi-baravarana. Aza akasika ahy na dia matsiro aza Ny fiavonavonana Manambany ny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/vonjeo-i-madagasikara
Vonjeo i Madagasikara
heritreritro
Andriamanitra o Vonjeo i Madagasikara Ampy izay ny fahoriany Anjakan'ireo baroa Miha ratsy ny tantara F'ireo mpitondra nitokiany Hay mpamadika avokoa Tsy an-tany tsy am-parafara Fa dia mandry andriran'antsy Voky lainga, heso, fantsy Raha hitraotra voarara Nefa koa tsy ampy vatsy Ka angamba atsy ho atsy Dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/alimbetso
ALIMBETSO
Mikalo nantenaina
...dia nihira teo ny alina Nihiram-betsovetso, FA Namoha indray 'reo fotaka Efa mandry sy milamina, Namoha irony tsiaro... Namoha indray ny fasana 'zay nandevenako azy, Nivoaka indray ny fonjany ilay fahatsiarovana, Efa nogadraina. ...dia nihira teo ny alina ravahan'ireo kintana aman'aliny, Eny an'abakabak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/malala-a
MALALA A!
Mikalo nantenaina
Malala A! Etsy ! misambara... Fa efa anao ny foko Etsy ! misambara... FA Aoka ! hivalona any ny toloko... F'ireny efa zava-mamarara Ka aoka hijanona any, Etsy ! misambara... dia fafao ny ranomaso! Fa intsony tsy handresy antsika ny ankaso, Ka manomboka eto androany... Intsony ianao tsy hitomany! Fa eto aho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ny-vehivavy-...-tsy-mba
Ny vehivavy ... Tsy mba
AMN (Arialy)
Ny vehivavy ... Tsy mba matiko lolo hoa ilay fiakanjony jereo ity zipo mihoatry ny ranjony ny hoe tenda moa tsy hita ho tazanina toa maontina loatra, izaho ndray no fanina tsy matiko lolo ilay lokon-kirarony toa hafa mihitsy zandiana ny tampony toa maro loko, tsy hita lazaina hitazana aloha mba hisy ho fosaina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/tononkalo-anefa-hira
TONONKALO, anefa hira
Antsa tononkalo.R
"T O N O N K A L O, anefa hira" "HIRAHIRA" monja ihany, irony hira fantatrao" fa ny nofo no mandre. . . raha miritsoka mandalo Rivodrivotra manonja sy mifaoka manindao, ary zary tebiteby ho an'ny fo mba te hikalo ! "Tononkalo anefa hira, ho renesin'ny fanahy" tonga aina ho an'ny nofo, hira velona sy miaina ka m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mozika
MOZIKA
Fredy Jaofera
MOZIKA Tsy mahasoratra aho raha tsy misy mozika manainga mangina, hamoha tsotra izao ny taona nandriaka na ireo nitokiana !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ianao-no-tsangam-batoko
IANAO NO TSANGAM-BATOKO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
IANAO NO TSANGAM-BATOKO tsela-jery kely monja natorakao ny masoko, no zary nampan'onja ilay fitia anatiko ato ny filantonao mamindra malefadefaka fitsaika toy ny kalo tsara rindra migadogadona fipaika ilay feonao malefaka mingonona eo an-tsofiko toy ireny kotro-baratra mampidoboka ny foko ny mombamombanao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tavany
TAVANY
Fredy Jaofera
TAVANY Teo amin'ny tavany, ranomaso nikoriana nofafako moramora, porofon'ny fitiavany tototra hamamiana sy tsy migoragora.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/tononkalo
TONONKALO
Mikalo nantenaina
Ny fofon'ain'ny teny mivoaka eo imolotro... Anao ireny no nindramiko, Tontolonao no hiainako. Ny rakin-tsarinao... Nanintona ny fo amam-panahiko, Ny hirahiranao... Tsy afaka ambavako, Anao ireny no nindramiko. Avy any am-paralalin'ny tsantan'ny andro taloha Mirongo tononkalo... Eny , mamiko! Ny fipololotran...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mangina-moa-lesy-a
MANGINA MOA LESY A!
RRAG
MANGINA MOA LESY A! Ialako tsiny indrindra, ry namana sakaiza mpiara-miari-tory, amiko isak’alina. Fa namoahany didy, tsy ho afaka mankaiza, ka hotampenam-bava, tsy hivòvò ialahy rahalina! Manakotaba lesy a! Manelingelina azy, ny hogahoga rehefa, misy mitsaitsaika! Ka aleoko hamafisina, ny hidim-bavahady, fa ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajaonary/ny-abidinny-toaka
Ny abidin'ny toaka
Rajaonary Mpitandrina
Adala ny olona izay tia toaka Adabok' ireny ny vola ka lany Ataony ambody barika avy hatrany Areti-mandoza no vokatr' izany B Bedain' ny sasany ilay tia toaka Babon' ny Satana ny fony rehetra Barika mandeha toa manjoretra Baikoan' ny vola tsy misy fetra Doran' ny sain' ilay tia toaka Daka diamanga ireo mampij...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/mialohanny-zavatra-rehe
"Mialohan'ny zavatra rehe
Antsa tononkalo.R
"Mialohan'ny zavatra rehetra"(avant et dernier chapitre) _Teo ampitsakotsakoana ilay tononkalona mpahay tononkira, tao an'eritreritro aho, tamin'ny ora mahalasa vinany tao anatin'ny fanireriko, izay fanaoko mazàna, ao anaty fahanginana : Hamafiso zaitra ny sisi-molotrao fa mainka hitombo tsiro ny rakitry ny fo Fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riankanto-ny-fitia/dotra
"Dotra"
Riankanto Ny Fitia
"DOTRA" Injao fa mangina ny moron'ny rano Ka rivo-mitsoka malefaka sisa Hany misangy ny felan-tatamo Nilaozan-tsiriry ka mipitrapitra... Indry fa nisoka tan-danitra ambony Ilay tara-bolana kely efa osa Nilefa tsy hitan'ny masoko intsony Ka dia maizin-drery ny foko efa dotra Ry kintana vitsin'ny lanitro ngaly ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/farano
FARANO…
RRAG
FARANO… Raha sedra monja iray, tsy takatra takarina, no nandavo aina, tan-dingana tsy zaka. Ka hoe tsy te hitraka, hiezaka ny hiarina, fa foana mbola mihevitra, ho voafetsy sy voambaka! Dia mitombena aloha, hampitonio ny saina, vonony ao anaty, ny faran’ny hery an’aina! Handatsa-dranomaso, anoloan’ny adim-piaina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lefona-natsatoka
LEFONA NATSATOKA...
RRAG
LEFONA NATSATOKA... Raha avelanao mandatsaka ranomaso izato foko. Na koa mba afaka ny hitsahatra 'ty fokofoko sy toloko, misaringotra amin'ny aina ka manakana ahy tsy hisento. Hampitony ny adin-tsaina anaty kalom-betsovetso. Dia hangina aloha ny tena, hiezaka ny hitraka foana. Tsy hanaiky ny horesena, ka ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anjaranao-ny-sisa
ANJARANAO NY SISA...
RRAG
ANJARANAO NY SISA... Mitady ny tsy hita sa manary ny efa an-tanana? Hifahavalo hatrany sa hiezaka ho mpinamana? Hifamela heloka dia hifanolo-dina, ka 'lay nankalaina no zary olon-tiana. Fa tsy haniry kosa ny handatsaka tomany, fa hifampizara ny soa sy ny mamy. Dia hiezaka hanakatra ny toha-piadanana, anivon'ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mena-midorehitra
MENA MIDOREHITRA...
RRAG
MENA MIDOREHITRA... Tsy sarisarin-tsaina na nofin'ny eritreritra, ny redaredan'afo mandrakotra ny fony. Fa 'reny loko ireny koa mifonofono hevitra, maneho am-pahanginana izay anjara zony. Tia fa toa sakanan'ny fomba sy ny etsetra, ka tsy afa-manambara 'zay tiany hovolanina. Hatreo amin'ny loko sy ny fihetsiketsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riankanto-ny-fitia/in-damn
in Damné
Riankanto Ny Fitia
Nahatsiarotsiaro ny saiko dia nahita an'itony, asa soratr'i Riankanto ny Fitia itony Au beau milieu quartier d'Iarive je sens encore mon coeur qui bat O beau soleil qui s'agonise à l'Occident, je suis las... Ça suffit... J'en ai assez... J'ai perdu toutes mes espoirs, le vent qui souffle a dispersé mon beau par...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misy-mbola-miafina
MISY MBOLA MIAFINA…
RRAG
MISY MBOLA MIAFINA… Fa any mbola misy, tsy hita ho faritana, misy tsy mahalala, na dia tsara fintina, efa voatontam-penina, tantara tsy hay vonoina, saingy mbola indray, nandrava ny finoana. Any misy tsy hay, tsy misy mpahalala. Any misy tiana, tsy antsoinao malala. Misy sarisary, tsy tianao hodoroina! Misy tsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riankanto-ny-fitia/aza-miova
"AZA MIOVA"
Riankanto Ny Fitia
Atolotra ho an'i N.A sakaizanay. AZA MIOVA Hanky va re rehefa ela ny ela adino ny zavatra vita, indrisy- Tsy misy mba sombiny kely tavela fa mangadihady sy toy ny tsy nisy O, tsontsa paika ny fo tena nino f'ianao tara-bolana tsy mba hisoka kanefa tsy tana ary koa nanadino tsy mierika intsony an'ireo lokaloka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nieza-nampitony
NIEZA-NAMPITONY...
RRAG
NIEZA-NAMPITONY... Raha zavom-be matevina, tsy sindan'itsy tsiky, dia mbola alahelo, tsiahy tsy nety dify. Kanefa tiana ihany, ny hamafa irony lasa, sinaingy tsy voakosoka, fa niahy nihombo ho ràtra! 'Ty ranomaso latsaka vontosan'alahelo, misy embom-pahatsiarovana mainka mihelohelo, tsy tiana hotazanina, fa hoko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/tanjona
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/i-kala-bozinangatra
I KALA BOZIN'ANGATRA...
RRAG
I KALA BOZIN'ANGATRA... Misavily fo roa efa tsara tefy, ka mikaroka fomba handravana fitiavana. Nandaha-ditera sy angola 'zay nety, hoheverina fa handravim-piadanana. Niroso ny paika natao 'zay hamabo, sy hankahalain'ity fo ilay tena tiany. Kanefa nihodina itony fotoana, ka rehefa sahabo, segaondra vitsy dia in...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranir-tsioharana/misaotra
Misaotra
Ranir-tsioharana
Misaotra Izy tsitaraina Na Dia nambakaina Nasahiany tsy fahatao Ny fahatokisany anao Bitika tsisahy ny teny Nararaotinao fahalemeny Nolalaovinao ny fony Noratsainao sainy Alahelony tsy tony Fa nofofoininao ny ainy Ianao mba nanjainjana No sa handatsakaina Tiana nampahory Fa Toa manorisory Misaotra anao n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hoy-aho-raha
HOY AHO RAHA...
RRAG
HOY AHO RAHA... Hoy aho raha nanontany 'ty lanitra ambony: "Nasitrikao aiza, izay anjara zony, no dia mpiankaso lava, no misetra ny aty fony, minday adin-tsaina, tsy ahitany tory?" Zaza menavava, nilazaovan-dReny tiana, fa mbola tany am-bohoka, dia nizoga fijaliana. Tsy fanta-dRay hiahy, tsy havana hitsetra! Ov...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fanja-monja-iray
FANJA MONJA IRAY...
RRAG
FANJA MONJA IRAY... Sento sendra lasan'itsy ranomaso, no singa nitsirian'ny ivon'ny ankaso. Fery efa nalonan'ny ratra sy ny etsetrany, no zoga nampavesatra ny rango-tsetrasetrany. Fanja monja iray, no mba nitondra tsiky, nahafahanao nitaratra ny tiana nitampify, teny an-tratranao ka nijanona nisento. Injay fa f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riankanto-ny-fitia/hampombaiko
HAMPOMBAIKO,
Riankanto Ny Fitia
HAMPOMBAIKO Hampombaiko ny senton'ny foko mankany Iny rivo-mitsoka malefaka iny Fa feno alahelo ny foko tomany Manembona mafy ny anilan'ny tiany Ary hafarako koa izatsy vorona mody Hampita any ho any ity kaloko ity Fandrao mba izany no hoe fanafody Enti-mitsabo ny ratram-pitia Dia ny ratram-pitia izay mikiky n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/ilay-poetinny-fitia
ILAY POETIN'NY FITIA
Tara-masoandro
Dia nandrevy irery teo, Tsy nahakimpy ireto maso, fa nidiridiry monja, toy ny lasa amboroa. Tsy teto an-tany angamba, fa asa re nankaiza izany saina toa domelina, Domelin'ireo lokon'ny tontolo anaty zava-boary. Ny rivotra malefaka fitsoka no mba nanosika ny rotsak'orana hisafo ireo takolaka efa mivaivay sy mena mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/hianao-no-tononkirako
Hianao no tononkirako
Antsa tononkalo.R
"Hianao no tononkirako" ho an'i*... Ny tsiky iray imolotrao, namaharako hasambarana namenoako izay tsy feno, tamin'ny fo, fanahy, fisainako Dia masoandro tatsinana, izay nataoko fanoharana , Tamin'ny "tsikinao" ihany , no lazaiko hoe marainako ! Ary 'lay marain-droa? -tamin'ny loko mangan-danitra nofaritako ho ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/ny-fahatsiarovanany-fanantenana
NY FAHATSIAROVANA,NY FANANTENANA
Mikalo nantenaina
Midorehitra jopika milom-bolamena iny vodilanitra iny omaly, Mivolom-bolamena manaingo ny natiora! Fa Mivimbim-pahatsiarovana ho an'ilay fo nanao maritiora lavon'ny fitiavana Mimena-mavo toy ny afo,izay- Nanepaka ny ati-fony mbola babo, Mivolombolon'afo nanetroka ny tena Injao miteny amin'ny feo mahery ilay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ara/izay-no-fiainany
IZAY NO FIAINANY
ARA
Izy anie ka tsy nifidy ny hiasa an-trano lava izao Izy anie ka mba nanantena fiainana lafatra mitovy toy ny anao eh ! Izy anie ka nandao ny Ray sy Reniny any lavitra any, Mba hitady izay hivelomany sy hanampiany ny ankohonany Izy koa anie ka toa anao, mahalala maharary sy mijaly Izy koa anie ka olombelona mitepo f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/ny-vahoaka-sy-ny-heviny
NY VAHOAKA SY NY HEVINY
Mikalo nantenaina
Tapaho! ny tady fa 'njao... Ihanika fefy eo 'reo, Dory! Dory avokoa ny momba azy rehetra, na ny taratasy nalefany omaly... Mihitsy! Aza asiana famotorana, izay antony, Itsaho! Aza avela hifia, hamaky tany ny voa novoleny Araraoty am'izao ny fahalémeny Eny Tapaho,dory! Itsaho! Fa Inay 'reo hitroatra ham...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/ny-ianao
NY IANAO
ANDRIANAIVO PAUL
NY IANAO Tazako manangasanga, Anaty tsikinao malefaka, Ny aim-panahy ilain'ny fiainako; Toa masoandro diva hitranga, Takontakona fipetraka. Misoritra eny an'endrikao, Miran-dava sy sariaka, Ny diom-pitiavana katsahiko; Atosaky ny masonao, Mihantahanta fibaliaka, Ka mambabo ny fanahiko. Ny fihetsikao mirindr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yajh_aah/rehefa-tsy-mandoto-dia-efa-manadio
REHEFA TSY MANDOTO DIA EFA MANADIO
Yajh_Aah
Ry malagasy o! Mba hiteny kely Tato ho ato manko, be ny fako niely Anaty lalan-kely, indreo fa toa mitoby Iza anefa no antony, mba lazao hoe zovy? Isika samy isika no manapoizin-tena mandoto ny tontolo, manimba firenena Tandrovy re ny loto, kajio ity tanàna Fa izay madio no tomady sy salama Indraindray manko to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elie-rajaonarison-1/mihir-ry-tendrombohitra
Mihirà ry tendrombohitra
Elie Rajaonarison
Ekena fa mahery ny tosiky ny jaly Mila hampiteny ny moana Ekena fa ny angolan'ny sento mifamaly No mameno ny fotoana Sy ny isanandro iainana Ekena daholo izany... Fa eo am-perin'adin'ny isanandro indrindra No miakatra ny Antsan'ny tsy manaiky resy Antsa nongononin'ny Razana any Ankoatra Entanin'ny Fitiavana ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mihira
MIHIRA
Fredy Jaofera
MIHIRA Mihira aho hamafana alahelo irina hihelina mikiky foana tsy tana no eto manelingelina. Mihira aho hamafana sedra tsy hay ambara miaro ery ho tamana toa hatrany am-para. Mihira aho hamafana ratra mandrera-tsaina nokendrena horavana kanefa mbola miaina. Mihira aho hamafana ady tsy ilaina intsony iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/ry-ilay-diariko-malala
RY ILAY DIARIKO MALALA
Tara-masoandro
Ireo vetsoko mangina noraketinao an-tsoratra, Aoka re hijanona ho tsiambaratelontsika. Na takelaka iray monja, aza avela hisy hisokatra, Fa lafo vidy loatra ireo ranomainty ritra. Sarobidy mantsy ireo teny an-tapitrisa tsy laitra nofihinina... Aoka izany re ho tsiambaratelontsika. Dia'lay sombin-dravin-draozy ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa
REHEFA
Fredy Jaofera
REHEFA Rehefa alahelo no mameno ny fo, maharotsa-delo 'tony sento manjo. Rehefa tomany no miraradraraka, ny sedra ihany no avy manaraka. Rehefa tanisa no namana irery, toa mila kisa ny ratra sy fery. Rehefa anjoria no tadidy marina, mila hankahia vao indro itarina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yajh_aah/mafisa-fo
Mafisa fo
Yajh_Aah
Ity aloha sakaiza aoka hazava tsara fa izy raha miteny : Tena tiako ianao Dia io tsy mariazy ambony alitara Fa mety koa hoe : Fitia kilalao Diniho ihany koa ny toky izay omeny Ny vavany mipetsona mivetso dinadina Izy raha miteny sy manaiky manao "Eny" Tsy midika fa maharitra ka sendra diso vina Na mbola handoha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ovaiko-tsiky
OVAIKO TSIKY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ravahako amin'ny tsiky ny fiainako mangiana Mba tsy ho tsinjonao ny masoko tomany Dia tsy ho fantatrao ny ziogam-pahoriana Niainako hatrizay sy nolanjaiko hatrany Ireny ratra-poko sy ny sentosentoko Dia mody ovaiko sangy amin'ny tafatsika Tsy tiaku ho fantatrao mantsy ny alaheloko F'izany no hafanana handreseko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amby-ventso/adala
Adala
Amby Ventso
Naniry mafy anao ho malala Na izaho mihitsy no efa adala Talohan'ny nitiavako anao, Ka dia tsy nahalala Tsy nahita akory hoe Misy tsy azoko aleha Fa nitsiako tsotr'izao Satria izaho tia anao! Ka ity tantara ity, Misy tia ka toa adala Dia misy adala mahay mitia. Tsy mitovy tsy sahala Fa ny iray entim-po, ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.j-prisco/mitraka
Mitraka
R.J Prisco
Raha resy ianao mitraka Bajino ny lanitra Bajino tsara Fa eny Andriamanitra Izy ilay tsy manary Aminy ady sarotra Izy no tena ray Tsy mahafoy zanaka Izy ilay nahitana Masoandro Sy ny kitana mamiratra Izy no ivavaho isan'andro Fa tompo tsy mamitaka Ekeko fa mafy taminao izany resy izany Fa ho mpandresy ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/mba-misaina-v-lesy-ialahy
MBA MISAINA VÉ LESY IALAHY?
Mikalo nantenaina
Mba misaina vé lesy ialahy? nanipy ny harato Amin'ity zana-domoina a? Sa vatana very fanahy dia manjono izay azo jonoina, Mandemy izay azo lémena a? Notangosan'ialahy mbola mantà ny voankazo tsy mbola fihinana, Mba misaina vé lesy ialahy a? Nampitondra takaitra ny nofo maliany nanamparan'ialahy ny filàna Mba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/sahia
Sahia
Pissoa
Sahia mandry am-piadanana, izany Neny tiako izany Sahia ! Fa tsy mijaly akory aho raha sendra nitomany Mba niofo ho ranomaso ny tsiaro anao rehetra … Ilay tsikinao, irony hehy, ny tambitambinao, etsetra. Mba mandria am-piadanana izany Neny tiako izany ! Aza dia variana loatra mitsinjo anay ety an-tany Fa efa ela ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fitafy
FITAFY
Fredy Jaofera
FITAFY Fitafim-pieboana no hainao naseho fa tsy famonoana ny sento sy toreo. Fitafim-pahavalo no hainao naroso ka nanimba kalo vao nisosososo. Fitafim-pijaliana no hainao nadera ka tojo fahoriana vao niserasera. Fitafim-pifosana no hainao natafy ka tonga nialana fa dia leo nihafy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hehy
HEHY
Fredy Jaofera
HEHY Ny hehy, ry zareo, dia vovo-pifaliana mampievina ny fo, mampisinda toreo sy tsara hotafiana ka iaino fa mba to !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/fitoriana
FITORIANA
hjravs
Nitady teny aho hahalaza; voambolana sahaza ny fitiavako anao fa tsy mahita hatramin'izao... Ny hoe "tiako ianao", "hany hasambarako"; "hany hamaritako ny tsarako": Toa sombin-teny ihany ireny!! Afa-po aho sombinaiko fa tsy hahalaza ny holazaiko raha ny fahefan'ny saiko... Koa aza andrasanao ny vavako mba h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/oram-panala
"Oram-panala"
Antsa tononkalo.R
"Oram-mpanala", Izany hatsiaka izany, dia ririnina ato am-poko ; Ary iny fafin'erika iny, dia ny foko mitomany . . . Raha manomboka mahangoly ny fanala izay misoko ka mahakotsan'alahelo ny erikerika amin'ny tany ! Inona ary izany? -izato foko merik'andro? -ranomaso te hijohy noho ny hanina malala; Ny ririnina ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yajh_aah/soa-ihany-misy-anao_hafatra
Soa ihany misy anao_Hafatra
Yajh_Aah
>> Hafatra Soa fa misy anao mba namana itokisany Mahafantatra ny aminy ka henoiny teny Raha izaho manokana matahotra ny ahiliny ka hanafatra anao no sisa hany hery Mahery saina aho fa kanosa anatrehany ny hifanatrik' aminy, tsy vitako akory matahotra ny foko sao ka hopotehiny Tsy ho rarahiany na valiany mampaor...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/safo-be-mantsina
SAFO BE MANTSINA...
RRAG
SAFO BE MANTSINA... Kinga 'ty vava hanameloka anay, dia manilikilika an-teny mandràtra. Ompa sy latsa, arahin'ozo-mamay, no rano fisotronay efa mahazatra. Ny hafa no naka ny harinareo, dia 'zay mavomavo no 'ndrao voasoketa. Ny fanenjehana anay no indro aseho, dia melohina 'zahay imason'ny rehetra. Izahay tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amby-ventso/efa-saika-dila-maty-sy-r
Tokoa ve?
Amby Ventso
Efa saika dila, maty sy rendrika Ny jiro fanilon'ny fanantenako Efa saika hadinoko hatramin'ny endrik' Ilay malalan'ny fihantahantako Kanjo tsy reko, tsy tandriko akory Niako niverina tsimoramora Nisy rivo-mahery nanaitra mpatory Nikisaka indray ny famantaran'ora Dia nitohy tsy niato nanomboka teo Ilay tantara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rf-ravakiniaina/fikomiana
FIKOMIANA
RF Ravakiniaina
Handrafeto fo maranitra aho Hanamboarako toetra Hanampi-maso, tsy hitsetra Ireto nampizaka ny sedra Handrafeto fo maranitra aho Hamonoako fandeferana Hamerenako amin’ny toerany Ireo mihevi-tena ho fanaperana Handrafeto fo maranitra aho Hikomiako am-paharatsiana Hisoloako vaika ireo mangina Mba hanoherako ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/hafa-ihany
HAFA IHANY
Nofy2
hafa ihany ireto dada ilay nampianatra nibada fony mbola fahazaza ilay nanoro sy nanitsy handeha lalana mahitsy nisangisangy taminay nefa koa mba nanafay rehefa hita ho tsy nahay nitady vola ho an'ny zanany hanasoa ireo taranany nikely aina izay tsy izy hatafita anay ankizy hafa mihitsy koa i neny nitrotro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mira
MIRA...
RRAG
MIRA... Toa tsy feno toa tsy banga, irony tsiky fialofana, nihenkena kely angamba. Sa kosa sendra fahalovana? Dia nieza-nampitony, ny eritreritra tsy zaka. Ilay sariaka tsy eny intsony, fa niara-levona amin'ny lasa. Mira! Mitovy saingy tsy sahala, fa samihafa volon-doko. Ilay adin-tsaina manadala, no indrao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/sekoly-ambony
Sekoly ambony
KIRIAH
Fa tiako ny fijeriny Tiako ny fiteniny Tiako ny edinediny Zay mety ho redirediny. Tiako ny avonavony Tiako ny anjonanjony Ny famindra sy fijadony e! Manitra ny akanjony. Tiako ny firesany Tiako koa ny toetrany Tiako rehefa izy : No manadina izay tsy izy. Ny hasarotam-piarony Reo ady sarintsariny Ny dongy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/hatreo
HATREO
Nofy2
Ataoko fa efa ampy ny tambitamby omeko efa feno koa ny aretim-poko sy ny sentoko raha mbola hitanao fa tsy mahafa-po aleo aloha faranana amin'izay andriamatoa angamba tsapanao tsy nisy izay tsy vitako be dia be ny tia fa dia narirandrirako nataoko avokoa izay hitako fa nety vao maika nefa ianao namotika ilay fef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/andriambavinny-fitia
Andriambavin'ny fitia
Dox
Mielo vola, mihaingo voahangy, midola mora toa hisangy amin’izato tarijoro sy famindra noronoro… Tovovavy malagasy, tasitasy, kasikasy… loza raha hiangolangola, nefa mahay mananjola… Manadala ny vahiny. Aza mbola itsikiany fa tsy maintsy mitamberina… Ny tovovavinao iky Andriambavin’ny Fitia… Sa tsy izany v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amby-ventso/taratasy-ho-an-drafahatsiarovana
Taratasy ho an-dRafahatsiarovana
Amby Ventso
Any ianao rafahatsiarovana Sy ireo lasa nahatorovana Taratasy ho anao, Miarahaba, miala tsiny Ry mpitahiry ny fahiny Indramiko ilay fomba Ilay tsy antsoina nefa tonga Mba mila fanazavana Ary ataovy mangarahara Fa mba tiako hofantarina Hoe ahoana marina No tsy mba asianao fitserana Rehefa iny ianao miserana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-ankoatra-any-kay
ANY ANKOATRA ANY KAY!
RRAG
ANY ANKOATRA ANY KAY! Aza avela hohadinoiny, irony lasa sy ny etsetrany, izay nametraka tantara, nisy rango-tsetrasetrany. Aza heverinao ho foana, ny fahatsiarovam-pifaliana, mbola notanan'ny fotoana, irony embom-pijaliana! Aza dinganinao akory, irony ranomaso latsaka, nametrak'alahelo am-po, fony isika ilay nisa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/leo
LEO
RRAG
LEO Leo ny mamy omeny, dia nikaroka hafahafa. Tofoka angolan-teny, dia nitady izay mandràtra. Kivy ity fiadanana, dia namonjy fahoriana. Tsy te hiaina am-pahasambarana, dia nikaro-pijaliana. Angamba ianao tsy ho any, tsy hiverina any aminy. Tsy hamafa ny tomany, fa haka izay nindraminy. Angamba ianao tsy ho any,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fangaro
FANGARO…
RRAG
FANGARO… Fangaro mampafilotra ny laoka an-dakozia ny forongona legioma saosiam-boatabia. Famatotra miazona 'zay fo miara-dia irony toky vitan'ireo mpifankatia! Lamako kely aloha ho entina misedra 'zay lala-mbola ho lava sy ady tena 'ngeza. Asio tsiky ihany na mafy izay tsy laitra 'ty fiainan-kerisetra izay efa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/teto-an-tany
TETO AN-TANY
NY HERIMAR
TETO AN-TANY Nanorohako anao, Nifanaovantsika voady; Nifaniry tsy hifandao Fa hiaraka hitady. Teto isika: Nifampizara tsiky, Jery malefaka; Sendra nifanandrify, FO tafapetraka! Teto mantsy... Nahavelona indray Fanantenana saika maty; Fotoana nampiray, Fitiavana tanaty. Teto koa, Niaraha-naminavina Ny h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsipi-panombohana
TSIPI-PANOMBOHANA...
RRAG
TSIPI-PANOMBOHANA... Etsy ianao lazako, ny tsapan'ity foko, any ilavitra any, misy iray tsy foiko. Tsy akory nanalavitra, fa dia nanefa adidy, tsy laha-boatendry fa, tena hoe safidy. Saingy ny alavirany, mampitraotra ny aiko, toa mafy tena mafy, mandratra ny aty saiko. Mila tsy ho tanty, kanefa atao akory, satr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ady-maro
ADY MARO
Fredy Jaofera
ADY MARO Ady maro no natrehina vao atsaharo, nopotehina ! Ady maro no niainana vao mpiaro ny fisainana. Ady maro no nahavoa vao fantaro fa nahasoa. Ady maro no niadiana vao takaro fa niaviana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amby-ventso/tavela
Tavela
Amby Ventso
Raraka an-tany Ny rano nantsakaiko Fa tsy mba nody ventiny. Nilaozany ny tany Tavela sisa ny aiko Fa ny foko angamba nentiny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamoha-poety
MAMOHA POETY
Fredy Jaofera
MAMOHA POETY Mamoha poety ny fitiavana rehefa tojo fahasambarana tonga ho azy tomandavana tsy te hahalala fitsaharana. Mamoha poety ny fitserana rehefa embona no mipoitra toa hafahafa maka toerana sy mbola injao mipololotra. Mamoha poety ny fotoana rehefa mila ho singan-drery ka mampitranga manoloana ny ala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amby-ventso/ankamantatra
Ankamantatra
Amby Ventso
Toy ny andro vao misandratra Takoman-drahon-tsy fantatra Toa ela vao hisava Mitondra oran-dava Nanakotsa tsy voafehiko Ny laingon'ny tarehiko Fa tsy natao hitambatra Tsy hahavita hangalatra Nefa nifampitsinjo Fa ny lahatra no indro Vato iray nibahana Namingana hasambarana Tsy misy ny ho lafatra Fa fo tsy h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misy-mitsikafona
MISY MITSIKAFONA…
RRAG
MISY MITSIKAFONA… Misy tsiaro mitsikafona, makamaka laka angamba, fa mifongatra ny miafina, sady tsisy bangabanga. Jery tsy azo hanalana, na hanombinana na kely, misy sarinao malala a! Ilay mitsikitsikikely!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/menaka
MENAKA
Fredy Jaofera
MENAKA Mena-nahoso-bato ny fananarana azy raha reraka in-jato sy lany vazivazy. Mena-nahoso-bato ny teny soa nafafy nanitsy tato ho ato mbola tsy hihafy. Mena-nahoso-bato ny hasasarana azo ka injao tsy miato ny nenina sy tazo. Mena-nahoso-bato ny hevitra naranga ka rovitra ny arato, ny ora re ka banga.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/hafa-drahalahy-nasiana-fanitsiana
HAFA-DRAHALAHY
NY HERIMAR
HAFA-DRAHALAHY Ny omaly lehitsy tsy azo hadinoina, Fa iaino ny androany hibanjinana ny ho avy; Ny aina latsaka tsy azonao soloina, Ny mamerin-kadisoana lehitsy ataovy fady. Mety kotrobaratra ny omaly sy anio kanefa izany tsy atao hahaketraka; Na hiakatra ny rivotra hamoron-tadio, Mijoroa rahalahy, aza mipetrape...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/zafim-bazaha
ZAFIM-BAZAHA
Mikalo nantenaina
Vao herin'andro nomem-pahefana Dia niova fitafy,niova famindra Niova avokoa ny fomba fanao Fa notsofiny rivotra avy any ampita Ny fitenin'dRy zafy toa mibadabada Tsy voahavaka intsony ny NENY sy DADA Ny fomba firesaka tsy lazaina intsony Fa efa niova hatramin'ny rano sotroiny Adinony teo ilay maha gasy anazy F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/mahajanga
MAHAJANGA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Mahajanga! Mahajanga asa! Angamba, angamba fantatrao ireo kolontsaina avy ao; miavakavaka fiankanjo rebareba ambany ranjo Mirebareba lambahoany Miavaka aok’izany ny haingon'ny tarehy fa ny tena rehareha dia ny bahoejy sy Ambio ary izao no tadidio hafa ihany Mahajanga
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lalina
LALINA
Fredy Jaofera
LALINA Misy ratra lalina loatra sarotra avoaka : te hihatra, te hitraotra, tsy tafatsoaka !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/lasa
LASA!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
LASA! lasa izy, ireo tsikiny sisa navelany teto ny sariny sisa jeren'ny maso ny alahelo ny fo mapirongatra sento indrisy ry nofo fa mahery ny ankaso ireo kalo sy hira no indro nimaona ilay feo-manga toa zary nangina tsaroana ho mangidy ity andro misaona folaka andry ireo fianakaviana ireo fahatsiarovana sisa ...