url
stringlengths 41
46
| title
stringlengths 10
284
| date
timestamp[s]date 2007-09-12 12:24:22
2025-12-16 16:17:35
| author
stringclasses 1
value | content
stringlengths 113
36.1k
|
|---|---|---|---|---|
https://mg.globalvoices.org/2025/10/15/175717/
|
Ankizy mpangataka ao Sahel, mariky ny faharefoan'ny fiarahamonina manoloana ireo olana marolafy
| 2025-10-15T13:20:58
|
Unknown
|
Sarin'ankizy mpianatra kôrany (talibés). Saripika an'i Soumaila Aya , nahazoana alàlana.
Any amin'ireo tanàndehiben'ireo firenena ao Sahel afovoany, toa an'i Niamey (Nizera), Bamako (Mali) ary Ouagadougou (Burkina-Faso), misy trangan-javatra iray mampiahiahy lasa nivadika ho zavatra iainana andavanandro: ireo ankizy mangataka.
Mazàna mitafy rovi-damba, mitondra kaopy eny an-tànany, tsy hoe seho hita fotsiny eny an-dalambe ireny ankizy ireny. Izy ireny no endrika mibaribary indrindra amin'ny tranga lalina iray ara-tsôsialy, ratsy tantana na tsy noraharahain'ny pôlitika saingy navadiky ny vahoaka ho fenitra. Asehon'io toejavatra io ireo lesoky ny rafitra sôsialy sy pôlitikan'ireo firenena ao Sahel afovoany, toerana ahitàna taham-pahantràna ambony be: araka ireo angondrakitra nasiônaly akaiky indrindra, tamin'ny 2021 dia manodidina ny 43% amin'ireo vahoaka ao Burkina Faso no miaina ambanin'ny fetran'ny fahatràna, 45,5% tao Mali ary 47,4% tamin'ny 2023 ho an'i Nizera. Soritan'ireny tarehimarika ireny ny fianjadian'ny fahantràna vao mainka noharatsian'ireo fanamby ara-piarovana sy ara-toetrandro ao amin'io faritra io.
Rehefa atambatra, ireo firenena telo ao Sahel afovoany dia manana mponina 77 tapitrisa : mihoatra ny 28 tapitrsa ao Nizera, mihoatra ny 25 tapitrisa ao Mali ary mihoatra ny 24 tapitrisa ao Burkina Faso. Ao Mali, araka ny Coalition Malienne des Droits de l'Enfant (COMADE), mihoatra ny 20 000 ireo ankizy miaina an-dalambe no tafiditra anatin'ny asa fangatahana – ka 43% amin'ireo dia ankizivavy . Ao Nizera, fanadihadiana iray nataon'ny Anti Slavery (ONG miorina ao Londôna) no nahatsikaritra tany amina sekoly kôranika miisa 1.543, ny fisian'ireo ankizy 86 824 izay ny 76 080 tamin'izy ireo dia noterena hangataka . Tao Burkina Faso, misy ireo fikambanana no niaiky ny maha-olana goavana ilay fanerena hangataka, saingy tsy ananana ny tarehimarika.
Ankizy ampianarina ny Kôrany (talibés), fitantanana sa fitrandrahana azy ireo?
Any amin'ireo firenena telo ao Sahel ireo, ny finoana Silamo no tena finoana arahan'ny maro amin'ny vahoaka: mihoatra ny 60% ao Burkina-Faso, mihoatra ny 95% ao Mali, 99% ao Nizera.
Ny zaza iray “talibé” , izany hoe ampianarina ny Kôrany”, dia zaza iray atolotr'ireo nahitàny masoandro ho eo an-tànan'ny olona iray mpifehy (mpampianatra) kôranika mba hahazo fanabeazana ara-pinoana miozolmàna. Tsy manana fifehezana an'ireny sekoly kôranika ireny ny fanjakàna na dia kely aza.
Anaty tranga marobe , matetika ireo ankizy noheverina ho tokony handray fanabeazana kôranika no araraotina sy avadika ho loharanom-bola ka mahasimba ilay antso ara-panhy tany am-piandohana.
Araka izany, tamin'ny 2017, notombanan'ny tatitra iray nataon'ny Human Rights Watch ho maherin'ny 50 000 ireo ankizy “talibés” tao Senegaly no noterena hangataka isanandro, matetika rahonana ara-batana mihitsy. Ambana maro isankarazany no atrehan'ireny ankizy ireny : herisetra, fitrandrahana, fanararaotana sy fanaovana an-jorombàla ara-tsôsialy .
Maneho fanitsakitsahana miharihary ny zon'ireo ankizy io trangan-javatra io, amin'ny tsy fanomezana azy ireo ny zo fototra hahazo fanabeazana, fiarovana ary fahazazàna sambatra. Tanora iray nampianarina ny kôrany (talibé) no mijoro ho vavolombelona amin'ny Global Voices:
Isanandro aho alefan'ilay mpifehy ahy hangataka eny an-dalambe tao San (tanàna ao afovoan'i Mali any amin'ny 422 Km miala an'i Bamako) ary, raha tsy mitondra ny vola tadiaviny aho, dia rahonany na darohany. Manao dia an-tongotra elabe aho, matetika tsy mikiraro sy tsy misakafo, miaraka amin'ny tahotra hody amin'ny tànampolo. Tsy mandeha an-tsekoly aho, na dia manonofy ny hianatra hamaky teny sy manoratra aza mba ho lasa mpiasam-bahoaka. Ny tena mampalahelo ahy indrindra, dia ny hanoanana, ny herisetra ary ny fanamavoana ataon'ireo mpandalo, fa indraindray misy tsiky, tapa-mofo na fotoana iray manome ahy hafaliana kely.
Faharefoana vao mainka miharatsy noho ny tsy fisian'ny fitaovam-panjakàna izay matetika tsy misy
Nandritra ny taona marobe i Sahel no niharan'ny fifanoheran-javatra nanosika ireo ankohonana ho amina fahantràna faratampony. Tany lonaka ho an'ny fikisahan'ireo ankizy ho lasa mpangataka izany, atosiky ny fifangaroan'ny singa ara-toekarena, sôsialy sy ara-pianakaviana, araka ny tatitra 2023 SOS enfance en péril au Sahel (SOS fahazazàna tandindonindoza ao Sahel) (2023) avy amin'ny UNICEF. Ny tsy fisiana na ny fahaverezan'ny fanohanan'ny ankohonana, vokatr'ireo fifandonana na ny fifindran-toerana an-tery, dia manery ankizy marobe, tsy misy mpiahy, hitady samirery izay fomba hivelomany.
Mipongatra ireo santatr'andraikitry ny olompirenena, toy ny tao Burkina Faso izay nahitàna ny fikambanana Suudu Baaba, ohatra, nikendry ny hanatsara ny faripiainan'ireo ankizy tamin'ny alàlan'ireo hetsika maharitra eny anaty fiarahamonina. Tao Mali, ny fikambanana Samusocial dia manolotra fanohanana ara-tsaina, ara-tsôsialy ary ara-pitsaboana. Misy ireo fanentanana ho fampahatsiarovan-tena sy ireo fanentanana nomerika miezaka ny mandrava ny fahanginana sy misarika ny sain'ireo manampahefana.
Amin'io sehatra io, tena tsy ampy betsaka ny hetsika avy amin'ireo governemanta ao amin'ilay faritra. Ao Nizera, ohatra, noraràn'ireo manampahefana ny hataka ataon'ireo ankizy ao Niamey renivohitra. Fepetra iray azo deraina, saingy sarotra ny hampihatra azy manoloana ny haben'ilay tranga sy ny tsy fisiana vahaolana hafa azo raisina ho an'ireo ankohonana sy ireo sekoly kôranika. Matetika ilay lohahevitra no apetraka any amin'ny laharana faharoa, heverina ho saropady ara-kolontsaina na tsy laharam-pahamehana ara-pôlitika. Hamafisin'ny tatitra iray nataon'ny ONG Save the Children (Vonjeo ny Ankizy) fa an'aliny maro ireo ankizy eny an'arabe ao amin'ireo firenena ireo no mazàna raisin'ireo vondrona mitam-piadiana. Lazain'ny pejy faha-9 ao amin'ilay tatitra fa:
Any amn'ireo firenena ireo, izay miozolmana ny 60% hatramin'ny 90% amin'ny mponina, ampiasaina ireo lahateny fandresena lahatra ara-pinonana ho toy ny fitaovana iray mahomby hanangonana ny tanora. Hindrahindrain'io lahateny fandresena lahatra io ny anjara toeran'ireo mpiady amin'ny alàlan'ny fanasongadinana ireo fampanantenana hasambarana, na eto an-tany, na any ankoatra.
Toepiainana manahirana manohintohinia ny fivoarany no atrehan'ireo ankizy mpangataka. Gédéon Sangare , Maliàna mpandraharaha amin'ny asa fanorenana trano, nitafàn'ny Global Voices, no mijoro ho vavolombelona:
Eny an-dàlambe, mifanena amina ankizy am-polony maro tsy misy mpiahy aho. Mangataka mitady izay hahavelona azy ry zareo, fa ao ambadik'io zavamisy io, misy herisetra tsy re tsaika miafina : maro ireo araraotina sy voadaroka. Ny tena tsy azo ekena dia ny fahanginan'ireo manampahefana manoloana io loza io. Matetika loatra ny asa fangatahana ataon'ny ankizy no heverina ho toy ny zavatra ara-kolontsaina tsy azo ihodivirana, kanefa ilay izy dia tena hamehana ara-kolontsaina sy ara-piarovana. Misy sasany amin'ireo efa “talibés” fahiny ka lasa mpiasa ankehitriny no mitantara fa tsy nisy, na kely aza, asa nianaran-dry zareo mba hahafahany miantoka hoavy mendrika rehefa rahatrizay lehibe.
Andian-taranaka tandindonin-doza
Ny tsy firaharahàna ny asa fangatahana ataon'ny ankizy dia vanja milevina ho an'ny hoavin'i Sahel. Io andian-taranaka io, izay tsy omena hirika, dia mety hihevitra fa anjara tandrify ny fahantràna sy ny fiezahana ho tafavoaka velona amin'ny alàlan'ny asa fangatahana. Tsy ny fivoaran'ny maha-olona azy ihany no tandindonin-doza amin'izany, fa koa ny fitoniana sôsialy sy ara-toekarena manerana ny faritra manontolo. Ao Nizera, ny fikambanana nizeriàna misahana ny fitsaboana ny fandikàn-dalàna sy fisorohana ny heloka bevava, dia milaza ao anatin'ny tatitra nataony ny Martsa 2020 hoe efa tafahoatra ny rafitra eo an-toerana ny fitrandrahana ireo “talibés”, ary araka izany dia tsy maintsy raisina ho toy ny tranga isam-paritra . Io tatitra io ihany no milaza ao amin'ny pejy faha-5 :
Ny lojikan'ny fanondranana an-tsokosoko sy fitrandrahana ireo “talibés” dia isan'ny fihetsiketsehan'ireo fifindràmonina eo an-toerana sy ao amin'ny faritra (ireo firenena mpifanolo-bodirindrina, fa koa ny lemaka midadasik'i Sahel sy Afrika Afovoany), ary araka izany dia tsy maintsy dinihana manoloana ireny fifaneraseràna ireny.
Alassane Maiga, manampahaizana manokana amin'ny resaka fiarovana, sy firaisankinam-piarahamonina ary fiharetan'ny vondrom-piarahamonina no sady mpikambana ao amin'ny fiarahamonina sivily maliàna, nilaza tamin'ny Global Voices fa:
Mazàna ny asa fangatahana ataon'ny ankizy ao Sahel dia tafiditra anatina toejavatra ara-pinoana iray izay ahitàna ireo ankizy (Talibés) nankinina tamin'ireo mpifehy (mpampianatra) kôranika mandeha mangataka, afenina amin'ny filazàna hoe ho fandrafetana fiharetana ara-pinoana (tanjaka ara-panahy). Na izany aza, takon'io endrika io ny faharefoana lalina iray iainan'ireo fianakaviana, izay ny fahantràny no manosika ireo ankizy hangataka mba hahitàny izay hahavelona.
Manoloana ny haben'ilay olana, maika ny tokony hiarahan'ireo governemanta amin'ny fiarahamonina sivily sy ireo fikambanana iraisampirenena mba handrindràna ireo ezaka. Izay mihitsy, arakaraky ny hitomboan'ny isan'ny ankizy tsy afaka miditra anaty rafitra fampianarana arak'asa, dia ho bebe kokoa ny ambana hivarinany amin'ny fandikàn-dalàna sy ireo vondrona mitam-piadiana izay manohintohina koa ny fitoniana ao Sahel.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/12/05/175904/
|
Fitroarana erantany ataon'ny Génération Z : mihetsika ireo tanora afrikàna manohitra ny kolikoly sy ny fanjanahana amin'ny endrika vaovao
| 2025-12-05T06:12:00
|
Unknown
|
Mpanao fihetsiketsehana tao Madagasikara, milanja sorabaventy misy sary karandoha avy amin'ilay sarimiaina ‘One Piece’, nampisatrohana satroka tsihy malagasy. Pikantsary avy amin'ny lahatsary ‘Nandositra niala ny firenena ny filohan'i Madagasikara raha ireo Gen Z kosa manao fihetsiketsehana’, nakarina tao amin'ny YouTube an'ny Channel 4 News . Fampiasàna nahazoana alàlana.
Nosoratan'i Jessica Northey sy Narda Natioranomena
Manerana ny tanibe afrikàna, manomboka ao Madagasikara hatrany Maraoka , nidina an'arabe nitaky ny rariny sôsialy sy hihainoana ny feony ireo tanora teraka teo anelanelan'ny fiafaràn'ny andian-taona 90 sy ny fiandohan'ny taona 2000, fantatra amin'ny anarana hoe Génération Z .
Tamin'ny fiandohan'ny Septambra 2025, nipoaka ny fihetsiketsehan'ny Gen Z tao Madagasikara, tany am-boalohany dia nifantoka tamin'ny fahatapatapahan'ny herinaratra tsy nitsaha-nitombo sy ny tsy fisian'ny rano nanenika ny firenena nandritra ny volana marobe. Vetivety dia nihitatra izany nankany amin'ny fanaovana ho lasibatra ny kolikoly, ny tsy fitoviana tsy mitsaha-mitombo, ny tsy fanjarian-tsakafo ary taoriana kely dia ny fitakiana ny fialàn'ny filoha. Ny 12 Ôktôbra , rehefa nazava fa nanohintohina ny ainy ny hatezarana niantefa taminy, nanjavona ny filoha Andry Rajoelina . Toa hoe nisidina nandalo ny nosy La Réunion izy taorian'izay mba ho any Dubaï.
Noporetin'ireo manampahefana tamin'ny alàlan'ny herisetra ireo fanetsehana am-pilaminana, nokarakaraina avy any anaty tambajotra sôsialy, niteraka fahafatesan’ olona 22 , hoy ny ONU. Ny mpanolotsaina akaiky ny filoha, raha nitafa tamin'ny TV5 Monde, dia nandà hoe tsy nisy na iray aza maty , izay tena nahasorena ireo mpanao fihetsiketsehana izay niampanga ny governemanta ho nandainga.
Naka aingampanahy avy amin'ireo hetsipanoherana tahàka izany nataon'ireo tanora tany Népal , dia marika famantarana mitovy tamin'izany no nampiasain'ny hetsik'ireo tanora Gen Z malagasy, karandoha avy amin'ilay ‘manga’ japoney « One Piece » , nampisatrohana ny satroka tsihy malagasy. Nanao rodobe ireo mpanohitra namakivaky ny renivohitra, ireo tanàndehibe sy ireo tany amin'ny am-pielezana nanerana izao tontolo izao .
Nifanindran-dàlana tamin'izany, tao Maraoka, marobe ireo hetsipanoheran'ny tanora no nipoaka tamin'ny tapaky ny Septambra, nifantoka tamin'ny fiahiana ara-pahasalamana tsizarizary sy tsy miraharaha marary, ny tsy fahampian'ny fanabeazana sy ny fisian'ny kolikoly. Nahoana no mirehitra amin'izao fotoana izao ireny hetsika mitaky fiovàna ataon'ny Gen Z ireny? Misy ifandraisany ve izy ireny?
Tao Madagasikara, efa hatry ny ela no nisy tsy hafaliana tamin'ny filoham-pirenena sy ireo sangany mpanefoefo nanodidina azy. Mivandravandra manerana ny firenena ny harena miharihary sy ny firoboroboana ara-toekarena, miaraka amin'ireo asa fanorenana vaovao, ireo trano mijoalajoala, ireo SUV vaventy mibahambahana eny an'araben'ny renivohitra, toerana izay ahitàna ny ankamaroan'ny olona mandeha amina moron-dàlana tsy misy. Nokianin'ireo tanora ilay toerana vaovao filalaovam-baolina sy izay heverin'ny maro ho toy ny teleferika tsy voahevitra tsara ary lafo vidy ao an- drenivohitra , na eo aza ny tsy fahampiana goavan'ny rano sy ny herinaratra.
Manambara ny harena anaty rano sy ambanin'ny tany ao Madagasikara ny nahitàna ireo harena ankibon'ny tany tena ilaina, ireo toerana vaovao fitrandrahana ary ireo loharanon-karena vaovao maro manerana ilay firenena. Ny safira, ny volamena, ny granita, ny kôbalta ary hatramin'ny lavanila, ny letisia, ny kafe sy ny kakaô, tena manana harena voajanahary betsaka i Madagasikara.
Kanefa dia mahantra lavitra noho ny tamin'ny 20 taona lasa ny Malagasy salantsalany amin'izao fotoana izao. Dimy amby fitopolo isanjato amin'ny vahoaka no miaina ambanin'ny fetran'ny fahantràna, ary ireo orinasa iraisampirenena mitrandraka ireny harena ireny toa tsy dia miraharaha firy ny tontolo iainana voajanahary ao Madagasikara. Vao mainka niteraka hatezerana ny filoha noho izy tsy maharaka ny fiainan'ny ankamaroan'ny vahoaka rehefa injay nanao fanamarinana ny anton'ny tsy fitoviana mibaribary, tao anatin'ny antsafa nataony tamin'ny TV5 Monde Journal Afrique , tamin'ny nilazàny fa « na izany aza dia sambatra » ireo mahantra any amin'ny faritra ambanivohitra ao Madagasikara.
Raha ny momba an'i Maraoka, ny fahafatesana vao haingana nanjo ireo vehivavy valo nandritra ny fiterahana no niteraka ireo fihetsiketsehana voalohany. Nokarakaraina ihany koa tamin'ny alàlan'ny tambajotra sôsialy, nanao fihetsiketsehana nandritra ny andro maro ireo tanora, niampanga ny fanitàrana goavana ireo kianja filalaovana baolina kitra , kanefa atao an-jorom-bàla ny vehivavy sy ny tanora, ary tsy mahazo izay fikarakaràna ara-pahasalamana sahaza ny ray aman-drenin-dry zareo.
Takian-dry zareo ihany koa ireo tolotra fototra, indrindra fa amin'ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampianarana, ny fampitsaharana ny kolikoly, izay araka ny filàzan-dry zareo dia mahakasika ny antanan-tohatra rehetra amin'ny fitantanana raharaham-bahoaka. Tsy misy hafa amin'ny ao Madagasikara, asehon-dry zareo ihany koa ny fitiavany ny tanindrazany sy ny fifikirany mafy amin'ny fahalalahana maneho hevitra.
Mandà ny ho sorona ho ana fotodrafitrasa filalaovana baolina kitra, nanao fihetsiketsehana an'arabe ry zareo, anaty fifanohanana. Mpitsabo an-tsitrapo no mitsabo ireo mpanao fihetsiketsehana naratra, ary mpisolovava miasa an-tsitrapo no miaro maimaimpoana ireo niharam-boina, ary vondrom-piarahamonina no niantoka sakafo, ao anaty toedraharaha iray misy ambana goavana hisiana famoretana sy herisetra avy amin'ny fanjakana. Ahitàna fitoviana manaitra amin'ireo hetsipanoherana any amin'ny tendro roa ao amin'ny tanibe afrikàna ireo.
Ireo faha-fanjanahantany
Tena hita mivandravandra ny iray amin'ireo antony goavana ao Madagasikara. Na mety tsy hijery ilay olana aza ireo media frantsay sy ny iraisampirenena, ny firesahana azy amin'ny fomba mangarahara dia mety hisy fiantraikany lehibe manerana an'i Afrika sy any ivelany. Tamin'ny 2009, fony i Andry Rajoelina, ben'ny tanàna tao an-drenivohitra tamin'izany, nanomboka ny fanonganam-panjakana voalohany nataony, nialokaloka tao amin'ny ambasadin'i Frantsa izy no nikarakara ny zavatra rehetra. Tamin'ny 2014, taona dimy taorian'izay, nahazo ny zom-pirenena frantsay izy . Nanomboka tamin'ilay fanonganam-panjakana nataony tamin'ny 2009 ka hatramin'ny nahatonga azy ho filohan'i Madagasikara tamin'ny 2018, nitosatosaka ny fidiran'ireo orinasa frantsay sy ny dindon'ny frantsay tao amin'ilay zanatany frantsay fahiny.
Ankoatra ireo fandikàndalàna marobe nandritra ny fifidianana filohampirenena natao tamin'ny 2023, nahitàna mpanao hetsipanoherana naiditra am-ponja sy ny fanaovana antsonjay an'ireo mpanohitra, Rajoelina, amin'ny maha-filohan'i Madagasikara azy, dia tsy mahazo alàlana haka zom-pirenen frantsay, araka ny andininy faha-46 ao amin'ny lalàmpanorenana. Tsy tantin'ireo tanora afrikàna ny mety hisian'ireo hery mpanjanaka fahiny hiverina indray ao anaty firenena iray mahaleotena.
Tamin'ny 1947, nandriaka ny rà tao Madagasikara rehefa injay ny fitroarana iray nanoherana ny fanjanahantany ka nivadika ho famoretana an-kerisetra nanerana ny firenena. Tsy misy hafa amin'ireo habibiana natao tao Alzeria tany amin'ny fiafaràn'ny andian-taona 50 fa nanao herisetra faobe tao Madagasikara ny tafika frantsay teo anelanelan'ny 1947 sy 1949. Hita tamin'izany ny famonoana, ny fampijaliana, ny fanolànana, ny fandorana vohitra iray manontolo, ary ny fomba fanao nampihoron-koditra izay nandatsahana velona avy eny ambony fiaramanidina an'ireo Malagasy babo, fantatra tamin'ny anarana hoe « sidin'ny fahafatesana . »
Sarotra hamarinina ny isan'ireo niharam-boina, saingy araka ny tombana sasany dia Malagasy 100.000 no namoy ny ainy , raha anjatony vitsivitsy ho an'ny teratany frantsay. Io habibiana sy ireny holatra tsy mety kosehana ireny dia voarakitra anaty sarimihetsika, toy ny « Tabataba » an'i Raymond Rajaonarivelo sy ireo boky tantara toy ny « Mitaraina ny tany, » an'i Andry Andraina, ary raha ny momba an'i Afrika Avaratra dia ao anatin'ilay sarimihetsika an'i Gillo Pontecorvo « The Battle of Algiers . » (Ny Adin'i Alzeria)
Ankehitriny, 65 taona taorian'ny nahazoana fahaleovantena, nitaky ny vahoaka malagasy, na dia am-panajàna sy am-pilaminana aza, mba ho alain'i Frantsay ilay frantsay filohany, taloha kelin'ny nandosirany ny firenena tamin'ny alàlan'ny fiaramanidina iray an'ny tafika frantsay. Manana ny anjara birikiny i Frantsa raha ny krizy malagasy tamin'ny 2009 no resahana, ary ny tamin'ity iray ity. Ny fakàna fotoana hisaintsainana momba io lohahevitra io dia mety hitarika ireo firenena eorôpeàna handini-tena lalina kokoa.
Ny tsy fahavitàn'ny rafi-pampianarana frantsay sy eorôpeàna tsy hikitika am-pahamendrehana ireo faha-fanjanahantany dia isan'ny olana ara-drafitry ny tsy rariny iraisampirenena sy ny fifehezan'ny mpanambola an'ireo fampahalalam-baovaontsika sy ireo loharanon-karena erantany. Io fahaverezan-tadidy io no mamelona, amin'izao fotoana, ny fiakarana amin-kerin'ny antoko farany havanana ao Eorôpa , manohy mampaharitra ny fitrandrahana sy ny famotehana ireo zanatany fahiny, ary vao mainka manamafy ny tsy fitovian'ny fiarahamonina erantany sy ny krizy ara-tontolo iainana .
Na voafaritra aza ireo teboka iraisana , tsy noraharahiana mihitsy ny antony avy amin'ny fanjanahana. Manerana an'i Afrika, tsapan'ireo tanora ny fahatsapàna tsy rariny miha-mitombo, kanefa tohizan'ireo hery mpanjanaka fahiny ny mitrandraka ireo loharanon-karena, ny toekarena sy ny vahoaka, tsy misy fiaikeny ireo heloka bevava fahiny sy tsy misy fandraisany andraikitra manoloana ireo izay mbola manohy mampanjàka io lova io. Izany dia tsy hoe manimba fotsiny an'i Afrika sy ireo zanatany fahiny manerana izao tontolo izao, fa koa manao tsinontsinona ny disadisa maharitra, izay nofaritan'i Alistair Horne ho toy ny lova « voapoizin'» ny herisetra sy ny tsy fitoviana ao Eorôpa sy ny any amin'ireo mpiara-miombona antoka aminy tamin'ny fanjanahana.
Nirongatra nanohitra ireny tsy fitoviana ireny ny ankamaroan'ny tanora afrikàna sy manerantany, manomboka ao Madagasikara hatrany Maraoka, ny ao Philippines hatrany Népal, ary mitaky ny rariny sôsialy. Raha manokatra ny masontsika ry zareo ho amina fisaintsainana lalina kokoa momba ny fiantraika maharitry ny fanjanahantany amin'ny taonjato faha-21, ary na inona na inona ireo dingana tetezamita hanaraka eo, dia mendrika ny fanohanana feno avy amintsika ry zareo.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/12/16/175948/
|
Senegal: rehefa tsy azy fa an'ny hafa ny vatan'ireo vehivavy
| 2025-12-16T16:17:35
|
Unknown
|
Fihetsiketsehana tamin'ny 2021 nataon”ireo vehivavy tao Senegal nanoherana ny fanolànana; pikantsary avy ao amin'ny fantsona YouTube – Le Dakarois 221
Nosoratan'i Bowel Diop
Ao Senegal, azo saziana ny vehivavy iray niharam-panolanana raha toa manandrana ny haka ny fifehezana ny fiainany ka manapaka hevitra hanàla zaza.
Toy ireo firenena afrikàna maro hafa, Senegal dia nanao sonia , tamin'ny 27 Desambra 2004, ny Fifanarahan'i Maputo , fifanarahana lalàna eo anivon'ny Fiombonambe Afrikàna natao hampiroboroboana sy hiarovana ny zon'ireo vehivavy sy ankizivavy ao Afrika. Araka ny voalazan'ny andininy faha-14, ireo Fanjakàna nanao sonia dia tsy maintsy :
(…) manome alàlana ny fanalàna zaza ara-pitsaboana raha vokatry ny herisetra ara-nofo, fanolànana, fifoterana ( inceste ), na rehefa hita fa hanohintohina ny fahasalamàna ara-tsaina na ara-batan'ilay reny ny fitondràny vohoka, na ny ain'ilay reny na ny an'ilay notorontoronina (zaza am-bohoka).
Na izany aza, mijanona ho taratasy tsy misy lanjany io zo io ao Senegal. Ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona toy ny Fédération internationale des droits humains (FIDH), la Ligue sénégalaise des droits humains (LSDH) ny Rencontre Africaine pour la Défense des Droits de l’Homme (RADDHO), ONG nasiônaly iray miorina ao Dakar, dia miampanga ny tsy fanajàn'ny fanjakàna ny zavatra nekeny nanoloana ny fianakaviambe iraisampirenena. Ao anatin'ilay tatitra nataon-dry zareo “ Double peine” , nivoaka tamin'ny 2024, nisintona lakolosy ireo fikambanana telo ireo momba ny zavamisy hoe ny andininy faha-14 amin'ny Fifanarahana tao Maputo dia tsy nentina natsofoka ho ao anatin'ny lalànan'ilay firenena, ary noho izay, ireo vehivavy niharan'izany dia voatery tsy maintsy mitondra hatramin'ny farany ny vohoka azo tamin'ny fanolanana na fifoterana.
Ao Senegal, ny fanalàna zaza dia raràn'ny andininy faha-305 bis ao amin'ny Fehezandalàna famaizana , afa-tsy anaty tranga tena ankavitsiana raha sendra misy fitsaboana ikendrena hanavotana ny ain'ilay reny. Io toedraharaha io dia manosika vehivavy marobe hitodika amin'ny fomba fanao ankiafinafina, mampididoza ary mazàna maningotra aina , isan'izany ireo niharan'ny fanolànana na ny fifoterana.
Ho an'ny Prison-Insider , sehatra iray famokarana sy fanapariahana vaovao momba ny fonja manerana izao tontolo izao, miorina ao Frantsa, hatramin'ny 46 % amin'ireo vehivavy mifonja ao amin'ny fonja Liberté VI ao Sénégal no voaheloka ho namono zaza, mampiseho ny halehiben'ilay tranga.
Raha sahirana mitady fankatoavana ny zo amin'ny fanalàna zaza, dia tsy antony noho ny lalàna fotsiny, fa koa ara-piarahamonina sy ara-kolontsaina.
Tohankevitra ara-pivavahana
Ny tohankevitra ara-pivavahana no tena matetika ampiasaina hanamarinana ny fandraràna ny fanalàna zaza: mihoatra ny 95% amin'ny mponina senegaly dia miozolmàna; kanefa repoblika laika ilay firenena, araka izay voalaza ao amin'ny andininy voalohany :
Laika, demaokratika ary sôsialy ny Repoblikan'i Senegal. Iantohany ny fitoviana manoloana ny lalàna ho an'ny olompirenena tsirairay, tsy anavahana fiaviana, foko, maha-lahy na vavy, na finoana. Hajainy ny karazam-pinoana rehetra.
Anaty rafitra laika, tokony hipetraka ao anatin'ny sehatra medikaly sy lalàna araka izany ny adihevitra. Amin'ny fitsaboana, avahana aloha ny ‘zaza am-bohoka’. Tsara marihana fa ny fombandrazana miozolmàna sasantsasany dia manombana fa aorian'ny faha-120 andro nanorontoroana am-bohoka ilay zaza no aiditra ao aminy ny fanahy , araka izany, ny fampitsaharana vohoka mialoha io fetra io dia tsy midika ho fanapahana aina.
Na ahoana na ahoana, zon'ny vehivavy tsirairay ny handray fanapahankevitra mahakasika ny vatany manokana, lavitry ny teritery rehetra iraisana ara-pivavahana. Ny tohankevitra milaza hoe ny zaza ho ateraka dia tsy manan-kambara ao anatin'ilay raharaha ve tokony hanafoana ny zon'ny vehivavy iray izay tsy nangatahana akory ny fanekeny?
Nahoana no hanao sorona aina iray vory saina, efa voaratra, mba hamelomana aina iray ‘mety hisy'? Tsy mitombina io fomba fisaina io rehefa dinihana ny haja, ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batan'ilay vehivavy. Ny zo hanàna fizakantena ara-batana no tokony hibahan-toerana. Fihatsaràna ivelantsihy, mahery setra ary tena tsy rariny mihitsy ny fangatahana amin'ny vehivavy iray niharam-panolanana na fifoterana ny hitondràny hatramin'ny farany ny vohoka iray tsy niriany.
Ny fikajiana ny fitondrantena
Ny tohankevitra iray hafa matetika voatanisa hanoherana ny zo amin'ny fanalàna zaza dia ny fombandrazana. “Fitondrantena” toy inona ilay ezahana harovana ? Raha toa ny fikajiana ny “fitondrantena” ka midika ho fifehezana ny vatan'ireo vehivavy, dia fitondrantena efa lany andro izany ireny. Ny tena “fitondrantena” mila kajiana, dia ny haja sy ny fahalalahan'ireo vehivavy, fa tsy ny fifikirana amin'ny fombandrazana mampanjakazaka lehilahy.
Ny tena olana dia ny fanjakàn-dehilahy izay manohy manapaka hevitra amin'izay tokony hataon'ny vehivavy hitondràna ny vatany. Ny tanjak'io ideôlôjia io dia mahatonga ireo vehivavy sasany hiaro azy io, tafiditra amin'izany ireo nahita fianarana. Izany dia manaporofo ny halalin'ny fàkan'ireo fenitry ny fanjakàn-dehilahy latsaka anaty, eny fa na ho an'ireo izay tokony hanafoana azy ireny aza.
Ao Afrika, mahagaga fa tena mitovy sy mifandray mivantana amina sehatra telo ireo tohankevitra manohitra ny fanalàna zaza : ny fivavahana, ny fombandrazana ary ireo “soatoavina afrikàna”. Mihodinkodina amin'ny resaka fandraràna famonoana olona izy ireny, izay hita ao anatin'ireo fivavahana telo manompo andriamanitra tokana, manodidina ny filazàna ny fanalàna zaza ho fomba fanao nalaina tàhaka avy any ivelany, vahiny ao anatin'ny kolontsaina eo an-toerana ary manohintohina ny filaminana ara-maoraly nentindrazana izay manome lanja ny maha-reny, heverina ho toy ny fitahiana. Tohankevitra hafa iray mahazatra ny hoe tsy tokony hizaka ny vokatr'ireo toejavatra nahatonga ilay vohoka ilay zaza notorontoronina am-bohoka, tsy manantsiny sy tsy mahavita miaro tena.
Saingy ireny adihevitra ireny dia miantehitra betsaka amin'ny fihetsehampo, ny fadifady, ary endrika irain'ny fifikirana amin'ny nentindrazana, fa mahàlana vao resaka siansa, zo fototra na ny zavamisy momba ireo herisetra ara-nofo. Ao Sénégal, ny JGEN , ONG iray manolo-tena hiady amin'ireo herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy, dia manamafy ireo adisisika mba hampitsaharan'ny lalàna ny fanamelohana ireo niharam-pahavoazana noho ny fanolànana na ny fifoterana, ary mba hanaja amin'izay ilay Fifanarahan'i Maputo.
Amin'ny maha- vehivavy ahy, izaho dia mpomba ny fanalàna zaza tsy arahana fepetra. Satria ny vehivavy tsirairay dia tokony ho afaka hanapaka hevitra an-kalalahana momba izay heveriny ho tsara ho an'ny vatany, ny fiainany, ny fahasalamany, ny hoaviny. Ary indrindra indrindra raha sendra tranga fanolànana na fifoterana: tsy tokony ho aingitraingitra lafo vidy fa zo ny safidy.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/10/20/175704/
|
Ny fanginana lalin'ny fanolanam-bady any Senegal
| 2025-10-20T07:58:58
|
Unknown
|
Ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana mitaky ny fanolanana ho heloka bevava. Sary nalaina avy amin’ny fantsona YouTube WF1tv – Women First .
Fanadihadian'i Bowel Diop
Herisetra mifototra amin’ny lahy sy ny vavy, voasokajy anisan’izany ny fanolanana ao an-tokantrano, izay mitranga maneran-tany, ary matetika dia ny vadin’ilay niharam-boina ihany ny mpanao izany. Voafaritra ho fihetsika iray ataon’ny mpivady iray manery ny ankilany hanao firaisana ara-nofo tsy amin’ny sitrapony ny atao hoe fanolanana ao an-tokantrano. Ary araka ny tatitra navoakan’ny fikambanana Equality , izay miorina any Etazonia ary manana birao any New York, Nairobi ary any Londres. Maro ireo vehivavy tratran’ity tranga ity, ary ny akamaroan’izy ireo dia avy any Afrika.
Mipoitra tsikelikely ireo fijoroana vavolombelona mampahonena momba ny herisetra sy ny fanararaotana iainan’izy ireo ao anatin’ny fifandraisana amin’ireo sehatra an-tserasera manokana izay ahafahan’ny vehivavy maneho hevitra sy mizara traikefa amin’ny fomba tsy mitonona anarana. Ho fiarovana sy ho fanajana ireo vehivavy sahy nizara ny tantarany, dia tsy avoaka ny anarany na ny mombamomba ny sehatra nanatanterahiny izany. Ao ambadik'ireo fijoroana vavolombelona ireo dia hita taratra ny zava-misy mangidy sy mampivarahontsana: ny fisian’ny firaisana ara-nofo atao an-tery ao anatin’ny fanambadiana, ny zava-misy marina momba ny fanolanana ao an-tokantrano.
Notsinontsinoavina ny hevitry ny fanekena an-tsitrapo rehefa mihamaro hatrany ireo tranga herisetra atao amin’ny vehivavy . Mbola matetika loatra no manjaka ny foto-kevitry ny “devoaran’ny mpivady”, ka mitambesatra sy manaloka ny zo fototra ananan’ny vehivavy hanapa-kevitra amin'ny vatany.
Ao anatin’ireo sehatra nomerika ireo, izay toerana ilazana ireo fijaliana sy ny herisetra toa zary lasa zavatra ekena, no miorim-paka tsikelikely ireo vondrona fifanakalozan-kevitra, mampiditra endrika firaisankinan’ny samy vehivavy. Manome toerana hihainoana ireo sehatra ireo, sy hanohanana ary hanehoana hevitra malalaka, ka manampy ny vehivavy hanambatra ny heriny hihaikàna ireo fady mbola manakana ny fivelaran’izy ireo, na amin’ny tontolo virtoaly na amin’ny fiainana andavanandro. manasongadina ny maha-maika sy ny maha-zava-dehibe ny fanokafana adihevitra misokatra sy sahy momba ny fanolanana ao an-tokantrano eto Afrika io sehatra azo antoka io, izay hizaran'ny vehivavy ny zava-niainany.
Adihevitra ara-pitsaràna, ara-kolontsaina ary ara-pivavahana
Tamin’ny volana Mey 2025, nandritra ny fandaharana “ Midi Plus ” tao amin’ny fahitalavitra TFM (Télévision Futur Média) any Sénégal; nahazo sehatra nasionaly i Oustaz Modou Fall, manam-pahefana ara-pivavahana silamo ao amin’ny firenena. Nanambara ity mpitory fivavahana ity fa manan-danja kokoa noho ny fankatoavana an-tsitrapo ny adidin’ny vady, ka toa manamarina ny herisetra ara-nofo amin’ny anaran’ny fanambadiana izany. Hoy ny teniny nandritra ny lahateniny amin’ny teny wolof:
Gnouni loi bi néna sakh sa diabar so beugué teud akk mom té dacoroul daga ko violé . Pfff wakhi dof ! Sa diabar ga takk ko so farata Yallah akk souna Seydouna Mohamed , touki Pape Samba dem tournage soneu baye beugu dé gnibissi beugu teud ak sokhname gnouniko bouné dama soneu damadone fobéré (rires) ga forcéko viol le. Boudé lou amm la , lane moye texte bi. Si diné.
Ambaran'ny lalàna fa raha manery ny vadinao hanao firaisana ara-nofo ianao, dia atao hoe fanolanana izany. Tsss — tsy misy dikany izany, io no vadinao, ilay olona nampiraisin’Andriamanitra taminao. Eritrereto anie, Pape Samba [mpanolotra ny fandaharana]: mandeha lavitra ianao, miasa, reraka rehefa mody, dia te hiaraka amin’ny vadinao, nefa izy mandà. Hoy izy hoe sasatra, satria nanao asa an-trano (hehy). Ka raha manery ianao, dia fanolanana ve izany? Raha izany tokoa, inona amin’ireo boky masina no milaza izany? Tokony hitandrina tsara isika amin’izany resaka izany.
Niteraka hatezerana sy fanehoan-kevitra masiaka avy hatrany tao amin’ny tambajotra sosialy ilay fandaharana. Nihetsika haingana ireo mpikatroka sy manampahaizana ara-dalàna tao amin’ny TikTok. Namoaka andiana lahatsary manohitra ny fanambaràn’i Modou Fall ny pejy Xam Sa Droit, ka nampahatsiahy ny lalàna efa misy. Notondroiny manokana, ny andininy faha-320 amin’ny fehezan-dalàna famaizana ao Sénégal , izay mamaritra ny fanolanana ho ilay fampidirana ny azy ao amin’ny vatana amin’ny alàlan’ny herisetra, faneriterena, fandrahonana na fanambakàna. Hamafisin'ity fampahatsiahivana ity fa tsy manafoana ny zo fototra ananan’ny olona ny fanambadiana, ary zo tsy azo foanana ny fandavana tsy hanao firaisana ara-nofo, na dia eo amin’ny mpivady aza. Nahazo fanohanana betsaka tao amin’ny TikTok ity hetsika fanabeazana ara-pitsarana ity, satria nampiverina indray ny hevitry ny fankatoavana an-tsitrapo ho ivon’ny adihevitra momba ny firaisana sy ny fanajana ny zon’ny vehivavy.
Nisy ihany koa ny feo nivoaka tao amin’ny X. Nabou Diop Lo , mpahay lalàna sy mpikatroka miaro ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy, namoaka hoe:
Le viol tel que définit dans le code pénal Sénégalais ne fait pas une distinction entre le viol commis dans le ménage et celui commis hors des liens conjugaux. Tout ce qui compte c'est le consentement de la victime. https://t.co/mJcYsxZunx
—Nabou Diop Lo🇸🇳 (@NabouDiopLo1) July 26, 2025
Ny fanolanana araka ny famaritana ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana eto Sénégal dia tsy manavaka ny fanolanana an-tokantrano amin'ny fanolanana ivelan’ny fanambadiana. Ny zava-dehibe dia ny fanekena an-tsitrapon’ilay niharam-boina. https://t.co/mJcYsxZunx
Fa ahoana moa no ahasahian'ny vehivavy miteny fa voaolana izy, raha milaza ny manam-pahefana ara-pivavahana fa tsy misy lanjany ny “tsia” avy amin’ny vadiny? Ity tsy fitovian-kevitra eo amin’ny lalàna, ny resaka ankalamanjàna, ary ny zava-misy marina iainan’ny vehivavy ity no manasongadina fa tena ilaina ny fanavaozana ny lalàna sy ny fijoroana mazava avy amin’ny manampahefana.
Amin’ny fampahazarana ny fanolanana an-tokantrano, manamafy ny herisetra atao amin’ny vatan'ny vehivavy ity fomba fitenin’ny manampahefana ity ary manampy vesatra ara-moraly lehibe sy mavesatra ho an’ireo mety ho niharam-boina.
Miavaka be ny fomba ahafahana manaiky ara-dalàna ny fanolanana an-tokantrano manerana an’i Afrika, araka ny tatitra nataon’ny Equality Now tamin’ny taona 2024. Nanamarika ny tatitra fa manameloka mazava tsara ny fanolanana ao an-tokantrano ny firenena sasany toa an'i Benin, Burkina Faso, Burundi, Côte d’Ivoire, Gabon, Madagasikara, Sénégal, ary Togo .
Any amin’ireo firenena sasany, anisan’izany i Gambia, Equatorial Guinea, Eritrea, Ethiopia, Sodana antsimo, ary Tanzania, ny vady dia mazava tsara fa tsy voaheloka ara-pitsarana , afa-tsy amin’ny toe-javatra manokana sy maningana.
Any amin’ireo firenena Cameroun, Repoblika Afovoany Afrikana, Congo-Brazzaville, Repoblika Demokratikan’i Congo, Guinée, Mali, Ouganda, ary Tchad, mangina ny lalàna momba ity raharaha ity, ka mamorona banga ara-pitsarana tanteraka.
Nohavaozina tamin’ny 2020 ny lalànan’i Sénégal momba ny fanolanana sy ny fampijaliana ara-nofo ny ankizy, ary mametraka ny famaritana ny fanolanana ho toy izao manaraka izao:
Tout acte de pénétration « commis par violence, contrainte, menace ou surprise ».
Ireo fampidirana rehetra “atao amin'ny vatana tsy an-tsitrapo, fa noteriterena, fandrahonana na tampoka.”
Na izany aza, mamela sehatra malalaka ho an’ny fanazavana sy ny fandikana, matetika mamely ny niharam-boina, ny tsy fisian’ny fepetra ara-dalàna mazava momba ny fanolanana an-tokantrano sy ny fankatoavan’ny vady. Vokatr’izany, matetika heverina ho endrika mahazatra amin’ny herisetra an-trano ny fanolanana ao an-tokantrano, fa tsy sokajiana ho heloka bevava.
Ohatra, tany Côte d’Ivoire, tatitra iray nataon’ny gazety frantsay Le Monde tamin’ny Febroary 2024 no nanambara fa niteraka hehy sy fahatsiarovan-tena fotsiny ny lahatsary TikTok iray mampihomehy momba ny fahasahiranan’ny vehivavy amin’ny resaka firaisana ara-nofo — porofo fa tsy raisina ho zava-dehibe ny fandavana ara-nofo.
Araka ny tahirin-kevitra navoakan’ny African Health Sciences , dia 33 isanjaton’ny vehivavy any Afrika no efa niaina herisetra ara-nofo tamin’ny fotoana iray amin’ny fiainany, ary miakatra hatramin’ny 44 isan-jato izany any amin’ny faritra Atsimon'i Sahara. Tany Côte d’Ivoire, 40 isanjaton’ny vehivavy monina ao amin’ny filasiana tantanin’ny ONG Akwaba Mousso no milaza fa efa niaina fanolanana am-panambadiana.
Amin’ny rafitra ara-dalàna maro any Afrika, anisan’izany i Sénégal sy Côte d’Ivoire, ny fiheverana avy hatrany ny fifankatOavan’ny mpivady no misakana amin’ny fomba mahomby ny fanolanana an-tokantrano ho tsy ekena ho heloka bevava.
Rehefa miezaka mampahafantatra momba ity olana ity ny feminista, matetika dia tsinontsinoavina ny resaka. Ao amin’ny lahatsoratra efa voalaza tao amin’ny Le Monde, dia nilaza tamin’ny mpanao gazety i Marie-Paule Okri , mpikatroka ivoarianina ary mpiara-nanorina ny Ligue Ivoiriana miaro ny zon'ny vehivavy hoe:
Quand on essaie d’en parler, on nous répond qu’on exagère. On nous inculque depuis l’adolescence que le corps de la femme est fait pour donner du plaisir à l’homme.
Rehefa miezaka miresaka momba izany izahay, dia lazaina fa manamafy loatra. Hatramin’ny fahatanorana, dia ampianarina izahay fa ny vatana vehivavy dia tokony ho an’ny fahafinaretan’ny lehilahy
Manolo-tena amin’ny fanomezana fiarovana ny zon’ny vehivavy fototra ho an’ireo fanjakana Afrikana,na izany aza, ny Andininy faha-14 amin’ny Arofenitr'i Maputo. Anisan’izany ny zo amin’ny fahasalamana sy ny fankatoavana hiteraka.
Ilaina ny fiovàna lalina eo amin’ny fomba fisaina sy ny fihetsika mba hanatsarana ny toe-piainan’ny vehivavy, ankoatra ny lalàna. Ary izay miorina amin’ny fanajana ny vatany sy ny fitovian-jo eo amin’ny fifandraisana.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/10/27/175707/
|
Madagasikara: mitarika fiokoana anoherana ny delestazy sy ny fahatapahan-drano an-tanandehibe ny Gen Z
| 2025-10-27T04:41:44
|
Unknown
|
Fangon'ny Gen Z Madagascar , nahazoana alalana
An-taonany maro i Madagasikara tsy nitsahatra niatrika krizy ara-tsosialy, indrindra noho ny fahatapahan-jiro tsy mitsahatra sy ny tsy fisian-drano ao an-tokantrano mandritra ny ora maro, indraindray aza andro maromaro mihitsy. Niteraka lonilony mahatonga fihetsiketsehana nanerana ny firenena tamin'ny Septambra 2025 io toe-javatra io.
Matetika tsy miraharaha ny ankamaroan'ny mponina manoloana ny tsy fisian'ireo zavatra ireo, indrindra noho ny tahotra fisamborana na valifaty. Fa rehefa tena nankaleo kosa ny toe-draharaha dia nanao antso hihetsiketsehana antsoina hoe “Leo délestage” ny Génération Z (tanora malagasy miantehitra amin'ny fidirana an-tambajotra sosialy ary mila mamahana ny findainy). Niampitampita haingana tao amin'ny media sosialy ny antso hihetsehana am-pilaminana, ka nahasarika olona an'arivony hanao fihetsiketsehana am-pilaminana tao Antananarivo renivohitra sy tany amin'ny faritra maro teto Madagasikara ho fanoherana ny fanapahan-jiro isan'andro sy hitakiana zo fototra: ny rano sy ny jiro. Nivadika ho herisetra ny toe-draharaha tamin’ny savorovoro rehefa tonga ny alina. Olona dimy farafahakeliny no maty tamin’io andro io, anisan’izany ny ankizy roa, ary maro no naratra .
Fotodrafitrasa marefo
Ny orinasam-panjakana Jiro sy Rano Malagasy (JIRAMA) no miandraikitra ny famokarana sy fitsinjarana ny jiro sy rano fisotro eto amin’ny firenena ahitana mponina 30 tapitrisa. Saingy miaka-midina loatra ny haavon'ny renirano rehefa vanim-potoanan'ny maintany, ary tsy ampy ny rano vokarin'ny tohodrano, ary heverina ho efa lany andro ny fitaova(n'ny JIRAMA).
Misy ireo fokontany sasany eto Antananarivo no tratran’ny fahatapahan-jiro ora maromaro . Betsaka ny mponina tsy mahazo rano na kely dia kely no azony, ary tsy ampy ny kamiao mpitatitra rano. Ny vovo, tsy voakarakara matetika, no hany fomba ahazoana rano.
Noho ny tsy fisian’ny rano dia alahatra eo anoloan’ny paompin’ny daholobe ny tavindrano, paompy mamoaka rano mitsitapitapy sy mivoha amin’ny ora voatondro ihany. Ambonin’izany, 2.000 ariary (eo ho eo amin’ny 0,50 dolara amerikana) ny vidin'ny rano 20 litatra.
Bidons milahatra hakàna rano. Sary nalaina tamin'ny pejy Facebook an’ Ny vaovaon'ny Kolo TV , nahazoana alalana
Herisetram-panjakana
No raràn’ny tompon’andraikitra ny hetsika nokasaina hatao eny Ambohijatovo , zaridainam-panjakana eto Antananarivo tamin’ny 25 septambra 2025 . Tsy niraharaha ny fameperana ireo mpanao fihetsiketsehana, ary natao am-pilaminana ny famoriam-bahoaka. Saingy izaitratra ny fitandroana ny filaminana napetraky ny manampahefana ary nampiasaina ny baomba mandatsa-dranomaso . Maro ny fisamborana , ary maro ireo nanatri-maso nilaza fisìn'ny herisetra ara-batana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, anisan'izany ireo influenceurs .
Asehon'ity horonantsary avy amin'ny TV5 monde ity ireo mpanao fihetsiketsehana miezaka ny hiditra ao amin'ny kianjan’ Ambohijatovo haneho ny heviny. Miseho koa ny tifitra etona mandatsa-dranomaso.
Ao amin'ny lahatsary, nanambara ny iray amin'ireo mpanao fihetsiketsehana hoe:
Nous avons besoin d’électricité, les entrepreneurs n’en peuvent plus.
Mila jiro izahay, tsy mahazaka intsony ny mpandraharaha.
Ahitana hafatra toy izao ny sora-baventy tazonin’ireo mpanao fihetsiketsehana: “Aoka hohenoina ny zonay”, “Tsy manao politika fa leo fahatapahan-jiro”, ary “Tsy mila korontana izahay, fa fankatoavana ny zonay fotsiny”.
Des pancartes brandis par les manifestants. Photo: MaybeMatchbox , utilisée avec permission
Fandrobàna sy ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina
Nony tonga ny alin’ny 25 septambra, nirongatra tamina fokontany maromaro teto Antananarivo ny fandrobana. Manoloana izany, nanambara “ couvre feu ” manomboka amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 5 ora maraina, ny lehiben’ny polisy ao amin’ny faritra Analamanga , Angelo Ravelonarivo , ary mbola manan-kery mandra-pilamina tanteraka.
Na dia teo aza ny fandraràna, nitohy nandritra ny alina ny fandrobàna : lasibatry ny andian-jiolahy ny toeram-pivarotana lehibe, tsenambarotra ary banky izay nararaotina tamin'ny fanesorana tanteraka ny mpitandro ny filaminana mba handrobana izay rehetra azo idirana. Main'ny afo ny toerana samihafa, ka niteraka ahiahy mafy teo amin’ny mponina.
Tranombarotra may. Saripika: Rossana Lanja , nahazoana alalana
Fihetseham-po amin'ny Media Sosialy
Ao amin'ny aterineto, mizara ny fihetseham-pony ireo mpisera aterineto, amin'ireo sary maro sy antso fanampiana. Maneho ny fahatezerana, ny havizanana ary ny fanantenana amin'ny fiovana entin'ny tanora ireo ranty ireo.
Niparitaka be tamin'ny tambajotra sosialy, indrindra tao amin'ny Facebook ity lahatsary mampiseho vehivavy iray sahy namaky ny sakan'ny zandary tamin'ny quad ity.
Noderain’ny vahoaka ny fahasahiany, izay niantso azy ho vehivavy be herim-po. Nosamborin’ny zandary anefa izy. Niantso ny hamotsorana ilay vehivavy i Fitiavana Mickael , influenceur malagasy nosamborina tamin’ny fomba feno habibiana, ary navotsotra ny ampitso.
Je demande également la libération d'Alissa car c'est une mère qui a réclamé la justice .
Miantso ny famotsorana an'i Alissa koa aho satria reny nitaky ny rariny izy.
Taorian'ity antso ity sy ny an'ireo mpisera aterineto hafa dia navotsotra izy. Renim-pianakaviana manan-janaka telo volana izy.
Tao amin'ny Facebook, naneho ny alahelony manoloana ny raharaha i Ohappydeal.mg , iray amin'ireo orinasa voaroba :
« Ce que j’ai construit en 12 ans est parti en un clin d’œil. Ça fait mal 😭💔 J’accepte ta volonté, Seigneur 🙏 »
« Lasa tao anatin’ny indray mipi-maso ny zavatra natsangako tao anatin’ny 12 taona. Maharary. 😭💔 Ekeko ny sitraponao, Tompo ô 🙏 »
Maro ireo matihanina nandray fitenenana naneho ny firaisankinany, ny hatezerany, ary nitaky vahaolana mivaingana manoloana ny krizy. Tao amin'ny tambajotra matihanina LinkedIn , Lalaina Minah Ranaivomanana , teratany malagasy, namoaka hoe:
Je suis de cette fameuse Gen Z de Madagascar ❤️🇲🇬. Nous avons trimé pour trouver du travail, et lorsqu'on en a eu un, on nous prend 20% de notre salaire. La majorité d'entre nous ont du mal à joindre les deux bouts. Mais nous payons nos impôts de bon coeur POUR NOTRE PAYS. Nous payons les factures d'eau et d'électricité. Nous essayons tous de donner de notre personne et de faire de notre mieux.
Pourtant : 👉 Nous n'avons que 3 heures d'électricité par jour 👉 Nous devons attendre 1H à 3H du matin pour avoir de l'eau : une longue queue pour ESPERER remplir nos bidons jaunes 👉 Nous ne sommes pas en sécurité dans notre propre pays
Nous n'avons pas engagé de violence ! Nous ne voulons pas provoquer les forces de l'ordre ! D'ailleurs nous avons pensé qu'ils étaient là pour nous protèger 💔
Nous voulons juste DE L'EAU ET DE L'ÉLECTRICITÉ. Nous ne faisons que FAIRE VALOIR NOS DROITS ! 🇲🇬🇲🇬
Anisan'ny Gen Z malaza eto Madagasikara aho ❤️🇲🇬 . Nilofo fatratra izahay hanitana asa, ka rehefa nahazo dia nalaina ny 20%-n’ny karamanay. Zara raha mahavelona iray volana ny karamanay. Fa naloanay an-tsitrapo ny hetra mba HO AN'NY FIRENENAY. Mandoa ny faktioran-drano sy jiro izahay. Nomenay izay rehetra anananay ary manao izay tsara indrindra vitanay izahay.
Kanefa: 3 ora isan’andro monja ny herinaratra azonay. Tsy maintsy miandry rano amin'ny 1 ka hatramin'ny 3 maraina izahay: filaharana lava dia lava MANANTENA hameno bidons jaunes . Tsy mandry fahalemana eto amin’ny firenenay izahay.
Tsy niditra herisetra izahay! Tsy te-hihantsy mpitandro ny filaminana izahay! Ary mihevitra izahay fa hiaro anay ireo. RANO SY JIRO ihany no tadiavinay. Ny hanajàna ny zonay ihany no nataonay!
Mitaraina momba ny fiantraikan ‘ny fahatapahan-jiro amin'ny asany tsy miankina ao amin'ny LinkedIn ihany koa i Santatra Rakotovao , ary miantso ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny lalàna iraisampirenena mba hijery akaiky ny zava-misy:
Tu t’étonnes que les réunions en ligne depuis Madagascar soient souvent retardées ou même annulées ? Essaie de pitcher ton client quand la lumière s’éteint sans prévenir.
Essaie de livrer un projet quand tu dois d’abord faire la queue avec des bidons parce qu’il n’y a pas d’eau au robinet.
Ici, le peuple paie ses factures. Mais au lieu de services, il récolte coupures, obscurité, soif et VIOLENCE.
Et malgré ça, certains osent encore dire aux freelances Malgache : « Ton travail vaut 200 € maximum. » Comme si survivre dans ces conditions ne demandait pas une force et une résilience hors norme.
À Madagascar, ce n’est pas du low cost. C’est du talent bridé par l’injustice. C’est une jeunesse qui devrait créer, mais qui se bat juste pour allumer la lumière et remplir un verre d’eau.
J’appelle ici les défenseurs des droits humains et du droit international : regardez de près la situation.
Ce n’est pas seulement un problème de factures ou de freelances. C’est une question de dignité humaine et de justice.
hashtag # Madagascar hashtag # HumanRights hashtag # StopViolence hashtag # Generation
Gaga ianao hoe maninona no tara na foana mihitsy ny fivoriana anjotra avy eto Madagasikara? Eo ampandaharan-dresaka amin'ny mpanjifa no maty tampoka tsy misy fampiomanana ny jiro.
Andramo ny mamita tetikasa raha tsy maintsy milahatra amin'ny bidon aloha ianao fa tsy mandeha ny rano amin'ny paompy.
Mandoa ny faktiorany ny vahoaka eto. Fa tsy servisy no azo, fa fahatapahan-jiro, aizina, hetaheta ary herisetra.
Fa mbola misy sahy miteny amin'ireo Freelance Malagasy ihany: “€200 raha be ny valinkasasaranao.” Tahaka ny hoe tsy mitaky tanjaka sy faharetana mihoa-pampana ny mivelona amin'ireo toe-javatra ireo.
Eto Madagasikara tsy zavatra amidy mora. Fa talenta voagejan'ny tsy rariny. Tanora tokony hamoron-javatra, fa mbola miady hameloman-jiro sy hamenoana rano iray vera.
Antsoina ny mpiaro ny zon’olombelona sy ny lalàna iraisampirenena: jereo akaiky ny raharaha.
Tsy olana faktiora na asa mamelon-tena fotsiny io. Fa resaka fahamendrehan'olonambelona sy ny rariny.
Nanohy ny fihetsiketsehana ny tany amin'ny faritany ny 26 septambra 2025. Nisy mpianatry ny oniversite iray maty tany amin'ny faritanin’ Antsiranana na Diego Suarez [mg] any avaratr'i Madagasikara. Ao amin’ ity horonantsarin'ny Fit Prod-action ity ny mpianatry ny Oniversiten’Antsiranana nanao diabe nankany afovoan-tanàna, nitondra ny vatana mangatsiakan'ny mpiara-mianatra aminy maty voatifitra ara ny asehon’ Ny vaovaon'i KOLO TV
Niova indray ny toe-draharaha taorian'ny nanesoran ‘ny Filoha Andry Rajoelina tamin'ny 27 septambra 2025 an'i Olivier Jean Baptiste , minisitry ny angovo. Na dia natolotra ho vahaolana hampitony ny fahatezeram-bahoaka aza izany fanapahan-kevitra izany dia tsy ampy nampangina ny eny an'arabe, nanohy ny tolony ireo mpanao fihetsiketsehana mihevitra fa mihoatra noho ny fanovana minisitra izao olona izao.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/10/13/174608/
|
Tandindonin-doza ny Debok'i Kôngô, toeram-ponenana tena ilain'ny karazan-javamananaina erantany
| 2025-10-13T11:36:55
|
Unknown
|
ireo olona Isangi mivelona amin'n,y reniranon'i Kôngô. Saripika avy amin'i Julien Harneis tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 4.0 Deed )
Nosoratan'i Grace Kobare
Ny Debok'i Kôngô no manana ny ala trôpikaly faharoa lehibe indrindra eto an-tany , ny Debok'i Amazôna irery no mahasongona azy . Izy dia fifangaroana renirano, ala, toeram-piraofana ahitra, ary honahona, fantatra ihany koa amin'ny haavon'ireo karazan-javamananaina ao aminy. Na izany aza, niainan'ilay faritra ny fitomboan'ny fanapahana hazo, ireo tetikasa fanorenana foto-drafitrasa, ary ny fitrandrahana mineraly toy ny coltan, diamondra, ary volamena, izay misy fiantraikany amin'ny tontolo iainana sy ny fiainana bibidia.
Ny momba ny Debok'i Kôngô
Nobodoin'ny olombelona ny Debok'i Kôngô ary nampiasainy nandritra ny 50.000 taona mahery . Izy no manohana olona 75 tapitrisa amin'ny sakafo, rano, ary fialofana. Manankarena hazo, solika ary mineraly, ampiasaina izy ho toy ny toerana midadasika fitahirizana karbôna manana ny lanjany manerana izao tontolo izao amin'ny fandrindràna ny entona mampitombo hafanàna, ny diôksida-na karbôna. Ny alan'ilay Deboka koa dia mandrindra ny toetrandro eo an-toerana sy any amin'ny faritra no sady manampy mampikoriana ireo loharano tena ilaina ho ana faritra iray midadasika ao Afrika.
Hita anatin'ireo sasany amin'ny tena mponina malaza indrindra ao amin'ilay Deboka ny elefanta, ny rajako, ny ragidro, ny okapi, ny leôparda, ny lalomena (hipôpôtama), ny ombidia ary ny liona . Samy manana ampahan-taniny ao amin'ny Debok'i Kôngô ireo firenena sivy (Angôla, Kameron, Repoblikan'i Afrika Afovoany, Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC), Repoblikan'i Kôngô, Borondi, Roandà, Tanzania, ary Zambia). Na izany aza, amin'ny ankapobeny dia firenena enina manana rakotrala midadasika ao amin'ilay faritra no misy ifandraisany amin'ilay ala trôpikalin'i Kôngô: Kamerona, Repoblikan'i Afrika Afovoany, Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, Ginea ekoatôrialy, ary Gabôna. Notaterin'ny World Wide Fund (WWF) fa ao amin'ny Debok'i Kôngô dia ahitàna karazan-javamaniry mihoatra ny 10.000, ka 30 isanjato dia faritra tsy manampaharoa an'io farita io irery. Ny àlany dia mampialokaloka ireo biby tandindonin-doza, mihoatra ny 400 ireo biby mampinono, ary mihoatra ny 1.000 ireo karazana vorona . Ny sasany amin'ireo karazana dia manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolàna ny toetoetry ny ala fonenan-dry zareo. Ohatra, amin'ny ankapobeny ireo ala ao Afrika Afovoany dia manana hazo lava kokoa, saingy ireo hazo kely dia tsy mikitroka miohatra amin'ireo ala ao Amazôna na Bôrneô.
Fanamby goavana ao amin'ny Debok'i Kôngô
Olona marobe, indrindra fa ireo vondrom-piarahamonina indizeny, no miankina amin'ny Debok'i Kôngô amin'ny sakafo, rano ary ireo fitaovana hikarakaràny ny famboleny. Any amin'ireo faritra sasany ao RDC , Kamerona sy Gabôna, dia nanaratsy ny toedraharaha ny fahasahirànana ara-toekarena. Noho ny tsindry ara-toekarena sy ny tsy fisian'ny asa any amin'ireo faritra an-tanandehibe, maro ireo olona tsy an'asa avy any an-tanandehibe no miverina any an'ala mba hiremby sakafo sy hahita izay hivelomana, izay vao mainka mametraka tsindry bebe kokoa amin'ny fiainan'ireo bibidia sy ireo harena natoraly.
Araka ny voalazan'ny Greenpeace, tato anatin'ny taona vitsivitsy dia nirohotra nankao Afrika daholo ireo mpampiasa vola mba haka tombony amin'ny harena voajanahary ananany. Indrisy, matetika izy io no atao amin'ny fomba manimba ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana eo an-toerana. Marobe ireo orinasa no mividy na manofa tany ao Afrika mba hitrandrahany harena voajanahary sy hanondrànany azy ireny. Io fakàna malaky be sy amin'ny fomba midadasika io dia antsoina hoe “fakàna an-kery ny tany” noho ny fomba fitrangàn'ilay izy malaky be sy noho ny tsy fangaraharàn'ny sasany amin'ireo fifanarahana. Ny Firenena Mikambana dia mampitandrina hoe ireny fifanarahana ireny dia mety hampihena ny fahafahan'ny olona mahazo sakafo, mampihisatra ny fandrosoana ara-toekarena anaty fotoana maharitra ary handrava ireo faritra voajanahary manandanja.
Mba hambolena voanio fanaovana menaka sy hévéa dia mametraka toeram-pambolena goavana ao amin'ny Debok'i Kôngô ireo orinasa iraisampirenena . Matetika ireny toerana fambolena ireny no fototry ny fandripahana ala goavana sy mitarika fifandonana amin'ireo vondrom-pirahamonina eo an-toerana. Ny fanapahana hazo amin'ny fomba tsy mijery lavitra sy tsy ara-dalàna ao amin'ny Debok'i Kôngô dia miteraka fanohintohinana henjana ny tontolo iainana sy ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana . Na orinasa lehibe na madinika dia samy manapaka hazo amin'ny taha mampiahiahy avokoa, mitarika mankamin'ny fandripahana ala, fahaverezan'ny toerana fonenan'ny bibidia, ary mahatonga ilay faritra ho marefo kokoa manoloana ny fitovàn'ny toetrandro. Nandritra ny taona maro, nokapaina sy naondrana ireo hazo sarobidy mba ho ampiasaina amin'ireo vokatra toy ny fanaka sy gorodona. Na amin'izao fotoana izao aza, alefa sambo manerana izao tontolo izao ireo hazo azo avy amin'ny fitrandrahana ao amin'ny Debok'i Kôngô, isan'ireny i Etazonia (US), ireo firenena ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna (UE), ary mihabetsaka ny mankany Shina. Manana lalàna mipetraka i US sy ny UE ho fanakànana ny fanafàrana hazo tsy ara-dalàna — ny lalàna Lacey ao Etazonia sy ny Fandrindràna ny Hazo ao amin'ny UE . Nanomboka nihatra ireny lalàna ireny ary nanery ireo mpandraharaha ho tomponandraikitra hanamarina ny fiavian'ny hazo nafàrany. Na izany aza, raha mbola misy ny fahafahana mandefa hazo tsy ara-dalàna mankany Shina, avadika ho vokatra fampiasa, ary amidy manerana izao tontolo izao, dia mbola hisy foana ny fandrisihana ireo orinasa hanohy hanapaka tsy ara-dalàna ireo hazo ao amin'ny Debok'i Kôngô.
Ny Debok'i Kôngô dia iray amin'ireo honahonan-karibôna farany eto an-tany no sady toeram-ponenana tena ilain'ny fahamaroam-piainana (biodiversity) . Tena zavadehibe ny fiarovana azy io, saingy tsy maintsy ampifandanjana amin'ny filàn'ny sasany amin'ireo vondrom-piarahamonina mahantra indrindra eto amin'izao tontolo izao.
Ho an'ny maro ao RDC, mitondra hirika tsy fahita firy ara-toekarena ireo orinasa toy ny fitrandrahana ala sy harena ankibon'ny tany. Ny fanamby dia ny fikarohana làlana hanesorana ny olona ao anatin'ny fahantràna no sady mikajy ny tontolo iainana. Raha misy pôlitika mahitsy, dia azo ato io fampifandanjàna io. Ireo tetikasa toy ny Tohodrano Gaovana ao Inga , izay drafitra hanorenana toby fito famokarana herinaratra ahodin-drano ao amin'ny Riandrano Inga ao RDC, dia heverina hamokatra 40 gigawatts eo ho eo, izay mihoatra noho ny avo roa heny amin'ny herin'ilay Tohodrano Three Gorges ao Shina , izay tohodrano lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao. Lazain'ireo mpanohana azy fa ilay tetikasa dia hanampy hanome herinaratra azo antoka kokoa ao Afrika, hamorona asa, ary hampitombo ny fidirambolan'ny isan-tokantrano. Raha tsara tantana ilay tetikasa dia mety hahatonga an'i RDC ho ny lohany amin'ny resaka angovo azo havaozina. Ny fitrandrahana ‘coltan’ amin'ny fomba maharitra sy manaraka etika koa dia hanosika ny toekarena nefa tsy hanimba ilay deboka; na izany aza, amin'izao fotoana izao dia miatrika fiampangàna fanitsakitsahana zon'olombelona amin'ny endrika marobe ireo indostria, toy ny fampiasàna ankizy .
Raha hitarina, any anatin'ny fandraisan'izy ireo fanapahankevitra ara-toekarena dia tokony handray anaty kajiny ny karazan-javamananaina ireo tomponandraikitra ara-pôlitika, araka izay voalazan'i Profesora Sir Partha Dasgupta avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Cambridge ao anatin'ny 2021 Dasgupta Review , izay manindry fa raha tsy arovana araka ny tokony ho izy ny natiora, mety hisy fiantraikany henjana ara-toekarena sy ara-tontolo iainana. Nefa raha tena karakaraina tsara ilay deboka, dia hiroborobo anaty fotoana maharitra, na ny olona, na ny toekarena.
Fanantenana ho an'ny hoavy
Araka ny tatitry ny Center for International Forestry Research (CIFOR) – Ivontoerana Iraisampirenena Fikarohana momba ny Ala, raha mitohy tsy voara-maso ny fandripahana hazo sy faharavàn'ny ala dia ho fongana hatramin'ny 2050 ny 27% raha kely indrindra amin'ireo ala trôpikaly tsy mbola voakitika ao amin'ny Debok'i Kôngô izay nisy hatramin'ny 2020 .
Notsindrian'ireo mpikaroka fa afaka manampy hampihena ny fandripahana ala sy ny fahapotehany ny pôlitika tsara kokoa fampiasàna ny tany, toy ny famoronana faritra voaaro, fanomezandàlana ho ana faritra ala azo trandrahana, ary ny ala sahanin'ny vondrompiarahamonina. Araka ny nambaran'i Pierre Ploton avy amin'ny Coopération Internationale en Recherche Agronomique pour le Développement (CIRAD), tsy hoe miaro fotsiny ny ala sy manohana fa manohana ihany koa ireo vondrompiarahamoina ireny tetikasa ireny, amin'ny alàlan'ny fampandraisana anjara azy ireo amin'ny fitahirizana no sady manampy an-dry zareo hamaly ny filàny andavanandro.
Nomarihan'ireo manampahaizana ihany koa fa i Afrika Afovoany dia faritra mitàna toerana goavana amin'ny fiarovana ny fahamaroam-piainana (biodiversity) noho ny lova voajanahary ananany sy ireo karazam-biby marobe tsy hita any an-toerana hafa . Nilaza i Richard Atyi, mpandrindram-paritra ao Afrika Afovoany ho an'ny CIFOR-ICRAF, fa ny rindravoary (ecosystem) ao amin'ilay faritra no mandrafitra ny loharanonkarena iraisana izay manohana ny vahoaka amin'izao fotoana izao ka tsy maintsy arovana ho an'ny taranaka ho avy. Notsipihany fa tsy ireo firenena ao Afrika Afovoany irery no tokony hiandraikitra ny fiarovana azy, fa koa ny fianakaviambe erantany.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/08/30/175542/
|
“The Other Sahel” (Ilay Sahel Iray Hafa), fanadihadiana iray manome sary hafa anankiray momba ny faritra iray izay mazàna no ahetry ho toy ny “faritra fifandonana”
| 2025-08-30T17:38:58
|
Unknown
|
Eo amin'ny sary, ireo mpanakanto, mpamorona ary mpandraharaha ara-kolontsaina ao Sahel ; pikantsary avy amin'ilay lahatsary fanadihadiana
Sahel, izay mivelatra avy eo amin'ny Atlantika amin'ny morontsiraka andrefan'ny Ranomasina Mena hatrany amin'ny morontsiraka atsinanan'i Afrika, dia mazàna ahetrin'ireo fampahalalambaovao ho faritra iray voamariky ny fifandonana mitam-piadiana sy ny krizy ara-piarovana.
Kanefa, faritra ara-kolontsaina midadasika sy isankarazany koa izy io, izay mbola tsy fantatry ny any ivelan'ny sisintaniny. Misy vondrom-piarahamonin'ireo mpanakanto, mpamorona sy mpandraharaha ara-kolontsaina manandrana ny hanome sary tsara misongadina kokoa sy isankarazany momba ilay faritra, araka ny asehon'ny fanadihadiana iray mitondra lohateny hoe ” The Other Sahel – Faharetan'ireo Mpanakanto ao Mali, Nizera& Burkina Faso ” notontosain'i Joël Hevi , Tôgôley mpanao gazety sady mpandraharaha ara-kolontsaina nirotsaka ho amin'ny indostrian'ny famoronana.
Jean Sovon (JS): Ahoana no nahatonga tao aminao io hevitra hanome tombon-dahiny ny kolontsaina ao Sahel io?
Joël Hevi (JH) : Matetika loatra any anatin'ireo fitantaràna mibahan-toerana i Sahel no ahetry ho sarintanin'ny krizy, fifandonana ary loza voajanahary . Takon'io fanehoana tsotsotra io ny haren'ny tantaran'olombelona mitranga isanandro ao. Ireo mpanakanto sy mpamorona nifampiresahako dia mpanorina, mpitsinjo lavitra mamadika ny teritery ho hirika fanararaotra. Ho ahy, ny fitantaràna ny dingana nizoran-dry zareo dia fanehoana lafiny hafa iray amin'ilay faritra, ka any ny faharetana, ny fahaizana mamorona ary ny dikan'ny hoe vondrom-piarahamonina no milina manosika ny fiovàna lovainjafy.
JS: Ahoana no hahatongavan'ny zavakanto ho fitaovana fifandraisana ho an'ireo mpankanto ao Sahel?
JH : Ireny mpamorona avy ao Mali, Burkina ary Nizera ireny dia mampiasa ny zavakanto ho toy ny fiteny iray iraisana afaka ny hamakivaky sisintany, hampiray ireo vondrom-piarahamonina sy hanangana habaka fifampiresahana ary fanehoana hevitra.
Ankoatra izay, fitaovana mivaingana ihany koa ho an'ny fanovàna ara-tsôsialy ny zavakanto. Manosika ny toekarena eo an-toerana ireo santatr'andraikitra ara-kolontsaina ary manamafy ny firaisankinan'ny vondrom-piarahamonina no sady ahafahan'ireo tanora sy ny vehivavy mahita habaka iray hitondràny ny feony sy ny fahaizany mamorona. Amin'ny alàlan'ireo santatr'andraikitra hitako, ohatra, tao amin'ny habaka Boul Yam ao Ouagadougou , renivohitra pôlitikan'i Burkina Faso , mba hilazàna ny hetaheta sy ny zavamisy iainan'ireo tanora sy ny vahoaka ao an-toerana dia lasa fanoitra iray matanjaka ny zavakanto. Io no ohatra avy amin'ny fetibe Les Récréâtrales , natao tamin'ny 24 Ôktôbra hatramin'ny 2 Nôvambra tao Ouagadougou.
Ho an'ireo mpanakanto, hirika iray iny fetibe iny hanehoany ny fanoherany manoloana ireo krizy.
JS: Amin'ny lafiny inona no ihoaran'ity fanadihadiana ity an'ireo hevi-draikitra hita eny anaty fampahalalam-baovao iraisampirenena?
JH : Matetika ireo fitantaràna mibahan-toerana no manana fironana hampiseho an'i Sahel fotsiny amin'ny alàlan'ny fijery ny herisetra sy ny fikorontanana. The Other Sahel dia manolotra fijery iray mifanohitra amin'izany, izay manasongadina ny fahavitrihana ara-kolontsaina sy ny fahaizana mamorona ananan'ireo mponina. Hita ao ireo mpanakanto sy mpandraharaha ara-kolontsaina manavao, mandrindra tetikasa iraisana ary mikajy ny lovan-dry zareo na eo aza ny krizy. Asehon'io fanehoana io fa i Sahel dia habaka misy fiainana, haranitan-tsaina ary hirika fanararaotra, lavitra an'ilay sary tokana maneho fahalemena.
Toherin'ilay fanadihadiana ihany koa ny fiheverana milaza hoe tsy afaka ny hiara-honina ny kolontsaina sy ireo fahasahiranana ara-toekarena sy ara-piarovana. Asehony fa ny zavakanto sy ny fandraharahàna dia fitaovana fanoherana, fitompoana indray ary fanovàna ara-tsôsialy. Amin'ny fanomezana feo ireo mpisehatra eny an-toerana, ampifandanjain'ilay sarimihetsika ny fitantaràna iraisampirenena ary asainy ny mpijery mba hijery an'i Sahel ho toy ny faritra iray manankarena talenta, fandraisana andraikitra ary tantaran'olombelona manainga fanahy.
Ao anatin'ilay sarimihetsika (3:56), Zabda, Borkinabe mpanakanto sady mpampiroborobo ny habaka Boul Yam ao Ouagadougou , no milaza ireo Fomba Fanao Ara-javakanto sy Ala Sarona ara-Kolontsaina izay hetsika mivondrona ao anatin'io habaka io.
Ohatra iray hafa amin'ny santatr'andraikitra ny an'i Zerbo Siaka fantatra amin'ny anarana hoe Fasky , mpanakanto mpakasary manasongadina ny tetikasany fampirantiana sary izay isarihany ny sain'ny rehetra ho amin'ireo olana sôsialy sy zo maha-olona, indrindra fa ny an'ny vehivavy.
JS : Inona avy ireo sàkana tsy maintsy noresenao tamin'ny fanatontosana ity sarimihetsika fanadihadiana ity?
JH : Te-hitantara Sahel iray hafa aho, ny an'ireo mpanorina, saingy vetivety dia nahatratra ahy ny zavamisy eny an-kianja. Tsapako fa voalohany indrindra, nitaky famakivakiana tsy fandriampahalemana ny fandraketana ilay faharetana, satria ny fivezivezena tamin'ny làlana eny anelanelan'ireo tanàna, raha mba azo natao ihany fahiny, dia lasa tena nampidi-doza.
Ny haavon'ny fahamailoan'ireo manampahefana koa dia niteraka endrika fanivànana ankolaka. Niainako ny fandàvana sy ny fisalasalàna avy amina mpanakanto roa samy manana ny niaviany tena tsy nahazatra. Nitaky ny fahazoana ny fitokisan'ireo olona nitafàna ny antsafa natao, mba hisokatra tsy amin-tahotra ry zareo. Tamin'ny tranga sasany, nila niantehitra tamin'ireo namana mpanao gazety mba hanatrarana ireo feo tena izy marina. Mahagaga anefa fa manamafy ny hafatra entin'ilay sarimihetsika ireny fahasarotana ireny. Porofoin'izy ireny fa ny fahaizana mamorona sy ny faharetana dia hery mitoetra maharitra na dia anatin'ny toejavatra sarotra indrindra aza.
JS: Inona no tena hafatra fototra tokony horaisin'ireo mpijery anao?
JH : Ny ivon'ny hafatra dia ny hoe mifàka lalina ao anatin'ireo fiarahamonina ao Sahel ny faharetana sy ny fahaizana mamorona. Ny tetikasa ara-javakanto tsirairay, ny hetsika ara-kolontsaina tsirairay dia valinkafatra mivantana amin'ireo fanamby isanandro ary asa fanovàna ara-tsôsialy. Tokony ho tsapan'ireo mpijery fa i Sahel, ankoatra ireo krizy lalovany, dia ilay Sahel rafetin'ny vahoakany amin'ny herimpony, ny nofinofiny ary ny firaisankinany.
Antenaiko ihany koa ny olona mba hahatsiahy ny maha-zavadehibe ny fanomezana feo ireo mpisehatra ao an-toerana ary hanome lanja ny santatr'andraikitra avy amin-dry zareo. Ao ambadik'ireo fahasarotana, misy tantarana fanantenana sy famoronana mendrika hotantaraina. Ilay fanadihadiana dia mandrisika hijery amin'ny fomba hafa an'i Sahel, hankalaza ireo feo avy ao aminy, ary hahatakatra hoe ny kolontsaina dia tena fanoitra iray ho an'ny fanovàna, afaka ny hanova ny fiainana sy ny fiarahamonina.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/08/22/175196/
|
Nahatohina Afrikana maro anjotra ny fanamarihan'ny Filoha Trump ny teny anglisin'ny Filoha Liberiana
| 2025-08-22T04:25:39
|
Unknown
|
Ny Filoha Donald Trump nandray ny Filoha Joseph Nyuma Boakai avy ao Liberia tao amin'ny Birao Lavalava, Alarobia 9 jolay 2025, mialoha ny sakafo niaraha-nihinana tamin'ireo mpitarika afrikana. (Sarin'ny Trano Fotsy Ofisialy nopihan'i Daniel Torok). Sary avy amin'ny Trano Fotsy ao amin'ny Wikimedia Commons ( Azon'ny rehetra ampiasaina ).
Niteraka tadio nanerana an'i Afrika sy ireo any ampielezana ny fanamarihana toa tsy misy dikany nataon'i Donald Trump , filohan'i Etazonia, nandritra ny fihaonany tamin'ireo mpitarika Afrikana tao amin'ny Trano Fotsy tamin'ny 9 Jolay .
Raha nampiantrano mpitarika Afrikana Tandrefana sy Afovoany miisa dimy avy any Gabon, Ginea-Bissau, Liberia, Maoritania, ary Sénégal hiresaka momba ny varotra sy ny fampandrosoana ny Filoha Trump, dia naneho hevitra momba ny teny Anglisin'ny Filoha Liberiana Joseph Boakai .
“Tena tsara izany teny anglisy izany,” hoy ny fanamarihany taorian'ny nitenenan'ny Filoha Boakai. Nanontany avy eo ny filoha Trump hoe taiza no nianatra ny filoha Liberiana.
“Any Liberia?” hoy ny fanontanian'ny Filoha Trump. “Eny, tompoko”, hoy i Boakai nanamafy.
“Tena mahaliana,” hoy ny filoha Trump. “Manana olona eto amin'ity latabatra ity aho izay tsy mahay miteny tahaka izany.”
Na dia nilaza tamin'ny CNN aza i Sara Beysolow Nyanti, Minisitry ny Raharaham-bahinin’ Liberia, fa tsy tafintohina tamin'ny fanamarihan'ny Filoha Trump ny filoha Liberiana, dia maro ireo Afrikana anjotra no nahita ny fanehoan-kevitra ho manafintohina sy manambany.
Niteraka fiampangana tsi-fahalalana, famelezana bitika, ary fitenim-panjanahantany ilay horonan-tsary , izay nahazo jeripejy an-tapitrisany manerana ny media sosialy amin'izao fotoana izao. Nihevitra ny fanehoan-kevitra ho taratry ny hevi-diso tandrefana raiki-tapisaka manao ny teny anglisy ho vahiny any Afrika ny Liberiana sy ireo Afrikana hafa, na maro aza ny firenena ao amin'ny kaontinanta mpiteny anglisy, ary noho ny tantaran'ny fanjanahantany ny ankamaroan'izany.
Nanontany ny Liberiana iray Mpisera X hoe:
Our official language is English, our flag is literally like the US flag, but with only one star, how didn’t he do his research? https://t.co/1ejD7g8wjD
— Ami (@AmiKK30) July 9, 2025
Ny teny ofisialy ny anglisy, ny sainanay mitovy ara-bakiteny amin'ny sainam-pirenena amerikana, saingy tokana ny kintana, ahoana no tsy nanaovany fikarohana?
Nanoratra ny Zambiana mpisera X iray hoe:
Africans, listen: “Your English is so good” is not a compliment. It’s a backhanded slur, a reminder that people still see our fluency as “unexpected.” Language isn’t inherited by passport. #DecolonizeYourMind
— Sampa Kabwela (@ukusefya) July 10, 2025
Ry Afrikana, mihainoa: Tsy fiderana izany “Tena tsara ny teny Anglisinao” izany. Fanesoana izany, fampahatsiahivana fa mbola ataon'ny olona ho “tsy ampoizina” ny fahaizantsika miteny misosasosa. Tsy nolovaina tamin'ny pasipaoro ny fiteny.
Nanazava bebe kokoa ny resabe tao amin'ny ranty iray tao amin'ny X i Shehu Sani, Senatera Nizeriana teo aloha : “I Liberia no manana tantara sy ifandraisana akaiky indrindra amin'i Etazonia , mihoatra noho ny firenena rehetra aty Afrika. Gaga ny filoha Trump fa miteny ‘anglisy tsara’ ny filohany ary nanontany azy mihitsy hoe taiza no nianarany izany. Ohatra mahazatra amin'ny tsi-fahalalàna sy ny tsi-firaharahiana ny kaontinantantsika izany”.
Fiteny ofisialin'i Liberia ny teny anglisy, firenena manana mponina 5 tapitrisa mahery any amin'ny morontsiraka andrefan'i Afrika izay naorina tamin'ny taona 1822 araka ny tetikasan'ny American Colonization Society (ACS), izay mikendry ny hamerenana ny andevo noafahana i Liberia ary nanambara ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1847.
Niezaka niaro ny fanamarihan'i Trump ho fiderana tsy manan-tsiny ny sasany. @Christinalb77, mpaneho hevitra ao amin'ny X nilaza hoe:
It was meant as a compliment, as many ‘English’ speaking Americans don’t even speak proper English!
Natao ho fiderana izany, satria maro amin'ireo Amerikana miteny ‘anglisy’ no tsy miteny anglisy araka ny izy akory!
Ilaina ny fahatsapana ara-kolontsaina amin'ny diplaomasia
Naneho ny ahiahiny amin'ny tsy firaharahiana ara-kolontsaina eo amin'ny fifandraisana iraisampirenena i Jasmine Crockett , vehivavin'ny Kongresin'i Etazonia, indrindra rehefa ataon'ireo mpitondra ambony izany. Nanoratra tao amin'ny X izy:
Trump never misses an opportunity to be racist and wrong, and every day he finds a new way to be embarrassing.
Asking the President of Liberia where he learned English when it’s literally the official language is peak ignorance.
I’m pretty sure being blatantly offensive is not… https://t.co/Jhvf9dvqZE
— Congresswoman Jasmine Crockett (@RepJasmine) July 9, 2025
Mahita hirika hatrany i Trump hanavakavaka sy hanao ny tsy mety, ary mahita fomba vaovao mahamenatra isan'andro izy.
Tsy firaharahiana faratampony indrindra ny fanotaniana ny Filohan'i Liberia hoe taiza no nianatra teny anglisy raha io no fiteny ofisialy ara-bakiteny.
Tena azoko antoka fa tsy manafintohina miharihary…
Tao amin'ny fanambaràna iray, nilaza ny Trano Fotsy fa “fankasitrahana avy amin'ny fo” ny fanamarihana heverin'ny sasany ho manafintohina.
Tsy vao sambany ny filoha Trump no nahatonga resabe amin'ny fomban'ny vahiny miteny anglisy na ny lantom-peony. Ohatra, tamin'ny Febroary 2025, noderain ‘i Trump ny “lantom-peo mahafinaritry” ny praiminisitra britanika Keir Starmer , ary taorian'izay tamin'io volana io, niteny tamin'ny Afghana mpanao gazety iray izy fa tsy misy azony ny “lantom-peony mahafinaritra”.
Ho fanampin'izay, hoy i Trump tamin'ny Indiana mpanao gazety iray, “Tsy misy azoko izay lazainy”, ary nampiany hoe: “‘Somary mafy amiko ny lantom-peo.”
Tsy gafy fotsiny, ho an'ny Afrikana maro, ny fanehoan-kevitr'i Trump, fa akon'ny hevi-draikitra maharary fony fanjanahantany. Mampijoro ny herim-panintonany manerantany i Afrika, manasongadina ny halehiben'ny fifanajana amin'ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa manan-danja ny fahadisoan-dingana tahaka izao.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/08/26/175525/
|
Kamerona : ny tambajotra sôsialy, toerana niaingàn'ireo fanetsehana goavana talohan'ny fifidianana izay ho filoha
| 2025-08-26T17:12:53
|
Unknown
|
Ny sainam-pirenen'i Kamerona arahan'ireo fanamarihana “Tiako”, mariky ny fanolorantenan'ny olompirenena eny anaty tambajotra sôsialy. Sary Canva.
Ny taona 2025, mihoatra lavitra noho ny maha-fitaovana fandraharahàna azy fotsiny ny aterineto. Ao Afrika, ampiasain'ireo tanora ihany koa izy io hanamafisana ny feon-dry zareo sy handraisana anjara amin'ny pôlitika. Izany no mitranga ao Kamerona.
Noho ny fivoarana teknôlôjika ao amin'ilay firenena, nahitàna fitomboany be ny isan'ny fidirana aterineto tao Kamerona rehefa nifandimby ny taona. Araka ny lazain'ny DataReportal , nisy 12,4 tapitrisa ireo mpampiasa aterineto tao amin'ny firenena tamin'ny Janoary 2025, miaraka amin'ny taham-pidirana manodidina ny 41,9 isanjato. Maneho fihatsaràna 18 isanjato io hatramin'ny 2025. Mbola mijanona ho sàkana ny vidiny midangana, noho ireo fehezana tolotra aterineto marobe sandaina lafo sy fohy monja ny fotoana mampanan-kery azy.
Ampiasain'ireo tanora kameroney sasany mba hanentanana ny hafa ny aterineto, momba ny filàna mandray anjara amin'ny dingan'ny fifidianana, raha ao anaty fiomanana indrindra ilay firenena mba hifidy izay ho filohampirenena manaraka amin'ny 12 Ôktôbra 2025.
Election présidentielle de 2025 :
Un décret du Président de la République a convoqué les électeurs au urnes pour la prochaine élection présidentielle
#ÉlectionPrésidentielle #ElectionsCameroon #Elecam #Cameroun #election #Elections #Cameroon pic.twitter.com/u9U2JRQKSi
— ELECAM Elections Cameroon (@elecamofficiel) 11 juin 2o25
Didim-panjakana iray avy amin'ny filohan'ny repoblika no nampiantso ireo mpifidy handatsa-bato mandritra ny fifidianana ho avy
#FifidiananaFilohampirenena #FifidiananaKamerona #FifKam #Kamerona #fifidianana pic.twitter.com/u9U2JRQKSi
— ELECAM Elections Cameroon (@elecamofficiel) 11 Jona 2o25
Latsaky ny volana telo mialoha ny fifidianana ho filohampirenena atao ny taona 2025 ao Kamerona, miomana hifidy ihany koa ireo olompirenena, indrindra fa efa nampahafantarina sahady ny daholobe ny lisitra iray misy ireo kandidà 14 mendrika hifaninana hitantana ny firenena mandritra ny taona fito ho avy, araka ny nambaran'ny ELECAM ( Elections Cameroon ), andrimpanjakana miandraikitra ny fikarakaràna fifidianana ao amin'ny firenena.
Présidentielles 2025 : #2025PresidentialElection #Présidentielle2025 #ElectionsCameroon #Elecam #Cameroun #Elections #Cameroon pic.twitter.com/6ERtRjE1tb
— ELECAM (Elections Cameroon) (@elecamofficiel) 18 juillet 2025
Voasariky ny efijeriny ireo tanora, mandray anjara mavitrika anatin'ireo fanentanana faramparany eny anaty tambajotra sôsialy. Saripika an'i Sandra Tuombouh, fampiasàna nahazoana alàlana.
Anisan'ireny olompirenena ireny ireo tanora mampiasa ny tambajotra sôsialy, toy ny Facebook, Twitter (X), TikTok, LinkedIn sy Instagram, mba hampahafantarana sy hanentanana ireo mpanjohy azy momba ny lanjan'ny fanànana karatra maha-mpifidy sy ny fandraisana anjara amin'ny dingan'ny fifidianana. Amin'ny alàlan'ny lahatsary na votoaty voasoratra, amporisihan'ireny tanora ireny ireo mendrika ny ho mpifidy mba ho ilay fiovàna tian-dry zareo ho hita, indrindra fa miaraka amin'i Paul Biya, 92 taona izay mitondra ny firenena efa nandritra ny taompolo efatra mahery ary nanambara ny fikasàny mbola hàka fe-potoana fitondràna fanimbalony indray.
Azo lazaina tsy ho vita mihitsy ny hitety ireo sehatry ny tambajotra sôsialy ka tsy hitontona hahita ireo tenifototra « #FifidiananaFiloha2025 . ». Io fanetsehana goavana tety an-tambajotra io dia nitarika ho amin'ny fisoratana anarana mpifidy vaovao niisa 373,588 teo anelanelan'ny Janoary sy Jona tamin'ity taona ity, araka ny voalaza ao amin'ity kaonty X ity :
ELECAM affirme que plus de 8,2 millions de Camerounais se sont inscrits sur les listes électorales en vue de l'élection présidentielle d'octobre 2025. Selon Dr. Enow Abrams Egbe, Président du Conseil Electoral, 373,588 nouveaux électeurs ont été enregistrés entre le 2 janvier et le 26 juin 2025.
— Mimi Mefo Info (@MimiMefoInfo) 30 juin 2025
Hamafisin'ny ELECAM fa mihoatra ny 8,2 tapitrisa ireo Kameroney nisoratra anarana ho ao anatin'ny lisi-pifidianana hiatrika ny fifidianana ho filohampirenena hatao amin'ny Ôktôbra 2025. Ho an'ny Dr. Enow Abrams Egbe, Filohan'ny Filankevi-Pifidianana, mpifidy vaovao miisa 373.588 no voarakitra teo anelanelan'ny 2 Janoary sy 26 Jona 2025.
— Mimi Mefo Info (@MimiMefoInfo) 30 Jona 2025
Nandritra ireo fifidianana filohampirenena natao farany tamin'ny 2018, nihoatra ny 6.667.700 ireo Kameroney voasoratra hifidy araka ny nambaran'ny ELECAM. Rehefa atambatra, misy 8,2 tapitrisa amin'ireo Kameroney 27 tapitrisa no mendrika ho mpifidy mandritra ireo fifidianana ho filohampirenena ho avy.
Ao Kamerona, misy santatr'andraikitra isankarazany mifandraika amin'ny fifidianana mitranga any anaty tambajotra mba hanamafisana ny fanolorantenan'ny olompirenena sy ny mangarahara. Anisan'ireny santatr'andraikitra ireny ny fampiasàna ireo sehatry ny tambajotra sôsialy ho an'ny fanentanana fanabeazana ny mpifidy, ka amin'izany no izaràn'ireo olontsotra na ireo fikambanana ny torohay momba ny dingana ara-pifidianana, ny mombamomba ireo mpifaninana ary ny zo hifidy. Manamora ny fisoratana anaran'ireo mpifidy ireny santatr'andraikitra amin'ny alàlan'ny tambajotra ireny, no sady mampiroborobo ny fahaizan'ny mpifidy, mandray anjara araka izany amin'ny dingana demaokratika kokoa.
Hanson Miysh , Kameroney tanora iray, mpikatroka ho an'ny tanora sy ny fanolorantenan'ny olompirenena, no mamoaka fanavaozana tsy tapaka ao amin'ny pejiny Facebook, miantso ireo nàmany hanatevina ilay hetsika. Nandrisika tanora mihoatra ny 500 mba hisoratra anarana ireo ezaka an-tambajotra nataony. Toy izany koa, mahazo vàhana ety anaty tambajotra ny fikambanana iray avy amin'ny firaisamonim-pirenena Network for Solidarity Empowerment and Transformation for All (NEWSETA), miaraka amin'ny fanentanan-dry zareo hoe « Vote First ».
Amin'izao herinandro faha-12 izao, voaporofon'ilay hetsika fa nahomby izy, fahombiazana niteraka jery an'arivony sy fifaneraseràna maro tao amin'ny Instagram, Facebook ary LinkedIn. Tanjon-dry zareo ny hampiroborobo fiarahamonina iray mahafantatra ary hampitombo ny isan'ny mpifidy. Tsindrian'i Derick Ndzi, tale mpanatanteraka ao amin'ny NEWSET, fa:
Mamolavola ny safidintsika ireo torohay sy ireo hetsika ataontsika. Raha tsy mahafantatra ianao, tsy afaka ny handray anjara amin'ny fandraisana fanapahankevitra. Araka izany, arakaraky ny fahafantaranao, manandanja kokoa ny fandraisanao anjara.
Asongadin'ireo lahatsary sy ireo taratasy zaraina ny mpisehatra iray antsoina hoe « Ballot Buddy », liona noforonina ary mampianatra ny vahoaka ny dingan'ny fifidianana. Mamaly fanontaniana maro manandanja mifandraika amin'ireo dingana mialoha sy aorian'ny fifidianana izy io, amin'ny fiteny anglisy, frantsay ary fulfulde , fiteny afrikàna tandrefana, mba ho mety amina mpihaino isankarazany. Ambaran-dry zareo fa miitatra hatrany ivelan'ny aterineto ny faritra tratrany, satria mampiasa olona ry zareo mba hiantohana araka izay tratra ny hahatafita ireo torohay ho amin'olona maro kokoa any amin'ireo faritra folo ao Kamerona.
Raha maro no mihevitra io fanentanana an-tambajotra io ho toy ny santatr'andraikitra miabo mba ho fampitomboana ny taham-pahavitrihan'ny mpifidy, somary manahy ihany kosa ny sasany manoloana ny ho fahombiazany. Mpanaramaso iray no nanambara tamin'ny Global Voices hoe :
Marobe ireo tanora tsy miraharaha, avelan-dry zareo mandalo fotsiny ilay ranty fa tsy ivakiany loha.
Tanora hafa iray nilaza hoe:
Raha jerena ny fanjakazakan'ny RDPC (Rassemblement Démocratique du Peuple Camerounais), tsy azoko eritreretina mihitsy ny hoe hisy olona iray hafa ho afaka handresy.
Na eo aza ny fahasamihafan'ny fomba fijery, marobe no miombona hevitra hoe raha tsy misy hetsika, tsy hisy zavatra hiova. Fotoana izao ho an'ireo tanora mba handraisana fanapahankevitra momba izay ho mpitondra azy ireo manaraka.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/08/28/175467/
|
Ao Nizera, Ibrahim Oumarou Yacouba, mpikatroka miady ho fampandrenesana ny feon'ireo vehivavy lazaina hoe “vady fahadimy”
| 2025-08-28T07:31:43
|
Unknown
|
Vondrom-behivavy Wahaya mpisitraka ny Tetikasa Bridge an'ny OIT ao amin'ny faritr'i Tahoua sy Agadez any Nizera ; Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny OIT
Ao Nizera, misy vondrom-piarahamonina sasantsasany tena miaina ny atao hoe fanavakavahana ka mahatonga azy ireny ho tsy hita ara-tsôsialy sy ara-toekarena. Toy izany no mahazo ireo vehivavy Wahaya izay matetika vidiana ao anatin'ny tena mbola fahatanoràny eny amin'ny ray aman-drenin-dry zareo ary miditra any an-tokantrano ho toy ny vady fahadimy.
Ibrahim Oumarou Yacouba , nizeràna mpikatroka sady manampahaizana manokana amin'ny lalàna ho an'ireo vondrom-piarahamonina atao anjorom-bàla dia nanao io olana io ho adiny manokana mba ho fanajàna ny zon'olombelona. Nanomboka tamin'ny 2021, niaraka niasa izy tamin'ny Global Forum of Communities Discriminated on Work and Descent (GFoD) , sehatra iraisampirenena najoro tamin'ny 2019 tao New York, izay miaro ny zon'ireo vondrom-piarahamonina manerana izao tontolo izao iharan'ny fanavakavahana mifototra amin'ny asa sy ny fiaviana.
Tanaty antsafa tamin'ny alàlan'ny imailaka nifanaovany tamin'ny Global Voices, nohazavainy ny antony ilàna adihevitra ampahibemaso ho fampandrosoana ny zon'ny vehivavy.
Joel Hevi (JH): Ho an'ireo vondrom-piarahamonina voakasika, ahoana no tena fisehoan'ireny endrika tsy fitoviana sôsialy ireny eo amin'ny fiainana andavanandro ?
Ibrahim Oumarou Yacouba (IOY) : Ao Nizera, ny rafitra saranga , na dia miovaova arakaraky ny vondrom-poko aza, dia mitoetra ho zavamisy ara-tsôsialy any anivon'ireo vondrom-piarahamonina sasantsasany ny anjara asa sôsialy izay voafaritra mialoha sy mandeha araka ny ambaratonga.
Any amin-dry zareo Touaregs, ny Peuls sy any amin'ireo vondrona hafa , misy olona sasantsasany mizaka fanavakavahana manakaiky ny fanandevozana maoderina, tsy manan-jo hanana tany, na hivady amin'ireo saranga antsoina hoe “andriana”. Mazàna ireny ambaratongam-pahefana voafaritra hatrany am-pahaterahana ireny no mifototra amin'ny asa nentimpaharazana ataon'ireo saranga samihafa, toy ny Imajaghan (andriana), ny Ineslemen (mpiady), ny Imrad (mpanao asatànana) ary ny Iklan (andevo).
Tena vitsy ny zon'ireo andevo, izay heverina ho ambany. Haratsiana imasombahoaka rahateo koa ny asan-dry zareo . Matetika dia any amin'ireo sehatra tsy omena lanja loatra ry zareo no miasa, toy ny fanomànana ny hoditra na ny fanefena, ireo asa heverina ho toy ny “ambany saranga ”. Io fanilikilihana io dia midika ihany koa fanilihana ara-pôlitika.
JH: Iza ireo Wahaya ary nahoana no tsy hita ny zavamisy iainan-dry zareo ?
IOY : Mitàna toerana iray tena miavaka ao anatin'ny fiarahamonina nizeràna ny rafitra Wahaya . Amin'ny fomba fijerin'ny finoana silamo, eken'ny lalàna ho afaka manana vady hatramin'ny efatra ny lehilahy iray. Ao Nizera, mandika io fitsipika io ny sasany amin'ireo fomba fanao ary mandefitra ny fisian'ny « vady iray fahadimy », antsoina hoe “Wahaya “. Ny sasany aza tsy misalasala mihitsy maka vehivavy fanineniny na fanimpitony.
Manana sata mampiavaka azy ny vehivavy Wahaya: tsy heverina ho toy ny vady iray araka izay voafaritry ny lalàna izy . Matetika izy no jerena ho toy ny « fanomezana »; tonga ao anivon'ny ankohonana izy hamaly ny filàn-drangahy, ny ankizy, ary hatramin'ny an'ireo vady hafa aza, kanefa tsy misitraka ny zo sy ny fiarovana mifandraika amin'ny fanambadiana ôfisialy.
Tsy misy taona voafaritra mba haha-Wahaya. Nahita izahay vehivavy ao anatin'ny atao hoe ‘tsy ampy taona’, indraindray 12 na 13 taona monja. Matetika ireny vehivavy ireny no miasa tontolo andro mba hamaly ny filàn'ilay tokantrano. Ny sasany nifampiteraka tamin'ilay rangahy. Kanefa, ireny ankizy ireny dia tsy misitraka zo mitovy amin'ireo izay teraka avy amin'ny fanambadiana ara-dalàna. Izy ireny koa dia iharan'ny fanavakavahana ara-tsôsialy sy araka ny lalàna, mandova ny fanilikilihana zakain'ny reniny.
JH: Inona avy ireo sàkana tsy haharenesana ireny feo voahilikilika ireny?
IOY : Tamin'ny fihaonana iraisampirenena momba ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika noho ny asa sy ny fiaviana (CDWD) ao Afrika , natao tamin'ny fiandohan'ny Aprily tao Accra, nanentanana antsika ny manodidina ireo Tanjon'ny Fampandrosoana Maharitra (ODD), nahitàna mpandray anjara an-jatony avy amin'ny oniversite sy mpikatroka maro avy amin'ireo firenena marobe izay niampanga ny fitohizan'ireo fanavakavahana mifamatotra amin'ny fiaviana.
Ao amin'ny firenena misy ahy, ireo olona arovanay, iharan'ny fanavakavahana lalina, dia tsy manana fahafahana miditra araka ny tokony ho izy amin'ny fiahiana ara-pahasalamàna . Zara raha misy ny fotodrafitrasa ho an'ny fitsaboana na lavitra an'ireo toerana iainan-dry zareo, lafo ny saram-pitsaboana. Mazàna no tsy manana antom-pivelomana maharitra ireny vahoaka ireny mba hahafahan-dry zareo miantoka ireo fandaniana ireo.
Ankoatra izay, ivon'ny adihevitra ny resaka miralenta. Marobe no mitaky fomba fitondra mitovy atao amin'ny lehilahy sy ny vehivavy, saingy ny sasany mbola mifikitra ihany amin'io hevitra io, izay tsaraina ho tsy azo ekena izany hoe ny vehivavy hisitraka zo sy hirika mitovy amin'ireo lehilahy izany. Arovanay fatratra ny zo hanana asa mendrika sy iraisan'ny rehetra, azon'ny lahy sy ny vavy hidirana.
Ara-tantara, ao Nizera, tsy maintsy ekena fa ireny vahoaka voahilikilika ireny dia tsy tena nanana velively ny vintana hahazo fanabeazana na fanofanana , fepetra tena ilaina hivoarana. Araka izany ny tena fanamby dia ny fiantohana fanànana hirika mitovy amin'ny fahazoana fiofanana sy asa, mba hahafahan'ny olona tsirairay mandray anjara feno ao anaty fiarahamonina.
JH : Misy fijoroana vavolombelona manamarika manokana ve tao anatin'ireo fikarohana nataonao?
IOY : Rehefa mihaino ny fitantarana'ireo vehivavy Wahaya aho, ny manamarika ahy dia ny faharetan-dry zareo. Mahavaky fo ireny tantara ireny.
Noraketiko ny sasany tamin'ireny tantara ireny, indrindra fa ny an'ny vehivavy iray izay nilaza tamiko fa teo amin'ny faha-12 taonany izy no namidin'ny dadatoany tamina lehilahy iray mpivarotra. Tsy tiany ny hahafantarana izany, satria ny fitenenana dia mety hahazoana valifaty. Tsy nanambady velively izy fa “natolotra” toy ny entam-barotra, tsy nisy vodiondry, tsy nisy lanonana, tsy nanan-jo. Nanomboka teo dia niaina tanaty fanandevozana nosarontsaronana izy. Miasa andro sy alina izy mikarakara ny ao an-trano, ny zanak'ilay rangahy tompontrano, ireo vehivavy hafa, ary tsy manana zo handà. Niteraka izy, saingy izy ireo koa dia tsy manana ny sata rehetra ara-dalàna. Ankehitriny, 25 taona eo ho eo io vehivavy io. Tohizany ny miaina anaty rafitra iray izay mbola tena mijanona ho voakenda be ny feon'ny vehivavy toa azy.
Nandritra ny fampirantiana iray momba ny takaitra navelan'ny fanandevozana, dia tafahaona ihany koa aho tamin'i Moussa, zanaka lahin'ny vehivavy iray Wahaya, izay poaka maso an'ila noho ny sazy natao azy. Very biby iray izy raha nitondra ireo andiam-bibin'ny tompony, ary voadaroka mafy dia mafy ka nahapoaka ny masony. Asehon'ny fijoroana vavolombelona nataony ny habibiana ara-drafitra atrehan'ireny olona ireny.
Eo koa i Hadizatou Mani-Karoau , Wahaya iray izay ny zotram-piainany no marika ankehitriny amin'ny tolona ataon'ireo vehivavy marobe ao Nizera, afrikàna mihitsy aza. Niady ho an'ny fahalalahany izy ary tontosany izany, noho ny fanohanan'ny fikambanana Timidria , izay nanampy azy hisitraka indray ny zony.
Mangirifiry ireny tantara ireny, saingy asehon'izy ireny fa na eo aza ny herisetra sy ny famoretana, misy ny tara-panantenana. Noho ny asan'ireo mpikatroka, fikambanana, indrindra fa Ny fandalinana momba ny fanandevozana ao Nizera : fijoroana vavolombelona, hetsipanoherana sy antony , ary ireo santatr'andraikitra toy ny GFOD Inclusivity Project , mitohy ny tolona hisian'ny fitoviana sy ny zo maha-olona.
JH : Maneho ny zavatra niainan'ireny vondrona voahilikilika ireny ve ny angon-drakitra voaray?
IOY : Amin'ny maha-mpikaroka ao anivon'ny GFOD Inclusivity Project , dia niatrika sàkana aho, saingy miezaka mandresy azy ireny.
Tsy maintsy ambara fa mbola fady lalimpàka ilay lohahevitra entiko. Anaty vondrom-piarahamonina marobe, lavina ny hiresaka momba izany. Tsy noho ny tsy fahalalàna, fa satria ny manohitra azy io dia matetika ireo izay mahazo tombony avy aminy.
Tena mino aho fa ny fanaovana ady iray ara-drariny dia manome endrika iray fiarovana ara-panahy ho antsika. Tena faharesendahatra lalina izany. Rehefa miaro ny fahamendrehan'ny olombelona ianao, dia misy zavatra lehibe kokoa manohana anao. Araka izany, na eo aza ireo fandrahonana, manohy aho.
Vavahady marobe no itondràko ny adiko, amin'ny fampiasàna ny mozika, ny fanelanelanana ara-kolontsaina ary ny zo iraisampirenena ho toy ny fanoitra ho entina mitondra ireo feo naetry ho anaty fahanginana ary ho fanentanana momba ireo tsy rariny. Fa tsy mijanona hatreo amin'ny sisintanin'ny fireneko ihany ny hafatro. Satria hita any an-kafa ihany koa io zavamisin'ny fanandevozana noho ny fiaviana io.
Andraisako anjara ihany koa ny sehatra akademika, amin'ny fanoratana sy fanangonana ireo fijoroana vavolombelona. Eo amin'ny sehatra pôlitika, takianay ny hisian'ny rafitra fiarovana mampiaty bebe kokoa ny rehetra.
Ezahanay ny hitondra ny anjara birikinay hanorenana ampitso iray tsy hisy intsony olona hotapenam-bava noho ny fiaviany. Mba tsy hisy intsony ankizy teraka ho andevon'ny rafitra iray tsy nosafidiany.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/08/18/175487/
|
Ireo firenena Afrikana manome zom-pirenena ho an'ireo ampielezana
| 2025-08-18T14:29:59
|
Unknown
|
Nancy Pelosi, Filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha nitarika ny delegasionan'ny Antenimieran'i Etazonia tany Ghana ny 28-31 Jolay 2019, hanamarika ny “Taona Nodiana” sy hanamarika ny 400 taona nahatongavan'ireo Afrikana andevo voalohany tao Jamestown, Virginia. Sary avy amin'ny Masoivohon'i Etazonia ao Ghana ao amin'ny Flickr ( azon'ny rehetra ampiasaina ).
Misy firenena afrikana tandrefana nampiditra lalàna manome zom-pirenena ireo Afrikana am-pielezana ho ampahan'ny ezaka lehibe mankany amin'ny fampihavanana, fankatoavana ary fanohizam-pifandraisana indray. Ho karazam-panonerana ny tsi-rariny ara-tantara tamin'ny olan'ny varotra andevo transatlantika no tanjon'izao fanaovan-dalàna izao ka ankatoavina amin'ny fomba ofisialy ho mpiray tanindrazana ireo Afrikana taranaka noandevozina.
Fampiharana hetsika
Nandritra ny hetsika “ Back to Africa ” (mody any Afrika) tamin'ny taonjato faha-18 ka hatramin'ny taonjato faha-20, nafindra monina tamin'ny alalan'ny tetikasa kolonialy na misionera taty amin'ny kaontinanta ireo olona andevo noafahana. Naorina i Sierra Leone tamin'ny faramparan'ny taompolo 1700s nitondra ireo Black Loyalists (taranaka Afrikana niandany tamin'ny Anglisy nandritra ny Revolisiona Amerikana) sy ny Maroons nankany Freetown teo ambany fanaraha-maso britanika, raha nametrahana ireo Afrikana Amerikana tamin'ny alàlan'ny American Colonization Society kosa ny fananganana an'i Liberia tamin'ny taonjato faha-19 .
Mifantoka amin'ny fiverenana an-tsitrapo, ny fifandraisana indray amin'ny vakoka ary ny fifanolorana tombontsoa ara-toekarena kosa ny hetsika ankehitriny.
Namoaka lalàna manome zom-pirenena ireo taranak'andevo i Benin tamin'ny taona 2024. Foiben'ny famarinana andevo manan-tantara io firenena io taloha. Misokatra ho an'ireo mpangataka mihoatra ny 18 taona ka tsy manana zom-pirenena afrikana hafa ny lalàna, izay najoron'ny Filoha Patrice Talon , fepetra ihany koa ny fahafahana manome porofo fananana razambe Afrikana atsimon'i Sahara amin'ny alàlan'ny fitiliana ADN, fijoroana vavolombelona voamarina, na firaketana an-tsoratry ny fianakaviana. Nanetsika sehatra ankihy ahafahan'izay mangataka sertifikà zom-pirenena Beninoà vonjimaika ny governemanta, saingy tsy maintsy mamita ny dingana any Bénin ireo mpangataka nankatoavina.
Nandritra ny fanamarihana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy taranaka Afrikana tamin'ny 25 Jolay, no nahazoan'i Ciara , kintan'ny pop Amerikana, sertifikàn'ny zom-pireneny tany Bénin.
Tamin'ny Janoary 2025 ny Governemantan'i Guinée-Bissau , araka ny hetsika Taompolon'ny Fodiana natomboka tamin'ny taona 2021 hifandraisana indray amin'ny taranaka Afro, indrindra fa ireo manana razambe avy amin'ny foko Balanta , Fula , Djola, Baga, na Mandinka nanome zom-pirenena ho an'ireo taranaka afrikana sivy mpikambana ao amin'ny Fikambanana Tantara sy Tetiharana B'urassa miorina ao Balanta.
Taorian'ny fahombiazan'ny Taom-Podiana 2019 , izay nahasarika Afrikana-Amerikana sy Karaiba an'arivony ho any Ghana, dia nitarin'ny firenena ny firotsahan'ny any am-pielezana tamin'ny alalan'ny hetsika Beyond the Return (2020–2030). Ampiroboroboan'ny fandaharan'asa ny fifandraisana ara-kolontsaina indray, ny fizahan-tany ary ny fampiasam-bola sady manolotra fonenana maharitra ary, amin'ny tranga voafaritra, ny zom-pirenena feno ho an'ny taranaka Afrikana noandevozina. Mahazo ny “ zo honina “, manori-ponenana tsy voafetran-taona, ny ankamaroan'ny mpangataka fa ny olona voazaha toetra voaporofo ho manana fifandraisana ara-drazana na ara-kolontsaina no naturalisé, na nahazo zom-pirenena, toy ireo 126 nomena zom-pirenena tamin'ny taona 2019 .
Mihoatra noho ny fihetsika saimbôlika ny nataon'ireo firenena Afrikana, manome zom-pirenena ho an'ny am-pielezana ho toy ny fampihavanana ara-kolontsaina sy fitaovam-pampandrosoana stratejika. Governemanta maro no mihevitra ny fianakaviambeny manerantany ho olom-pirenena mitondra renivola (vola sy fahaizana). Nahatratra 54 lavitrisa dolara US ny vola fanampiana nalefa taty Afrika atsimon'i Sahara tamin'ny taona 2023. Ny fankatoavan'i Ghana ny fisian'izany no nanangany forum sy fitaovana toy ny forum fampiasam-bolan'ny any am-pielezana sy ireo sehatra fitadiava-namana ara-pihariana toy ny WIDU.africa entina mampiasa ny renivolan'ny am-pielezana any amin'ny famatsiana vola ny orinasa madinika sy salantsalany mbamin'ny fotodrafitrasa sy famoronana asa.
Fantaro bebe kokoa ny fanentanana fitia tsy mba hetra ataonay.
Traika any amin'ireo tafody sy ny ao an-toerana Mipaka lalina ny fiantraikany ho an'ireo tafaverina. Nilaza tamin'ny AP i Deijha Gordon, izay nifindra avy any New York ho any Ghana, raha nahazo zom-pirenena fa “tahaka ny tsara ery izany manana fifandraisana tsara amin'ny firenena afrikana iray izany amin'ny maha-Afrikana-Amerikana, Amerikana mainty. Raha tany Amerika manko, tsy misy ahafahanay manjohy ny fototra niavianay ankoatra ny hoe Afrika. Ny fananana izany fifandrohizana izany no ahatsapako hoe mety ny zavatra nataoko”. Tombony iray amin'ny fahazoana zom-pirenena Afrikana Andrefana ny fahazoana pasipaoro CEDEAO ( ECOWAS ), izay ahafahana mivezivezy malalaka amin'ireo firenena 15 ao Afrika Andrefana. Vakio bebe kokoa: Moving to Africa? Check your privilege at the gate Na izany aza, mbola misy ireo fanamby mitampikitra. Any Ghana, nampirongatra ny fizahantany ny “Taonan'ny Fodiana”, saingy nampitandrina ny mpitsikera fa tsy voazara ara-drariny ny tombony ara-toekarena ary mety hampiakatra ny vidin-javatra ho an'ny mponina ao an-toerana. Nametraka fanamby ao Ghana ny fodian'ireo ampielezana, indrindra ireo avy any amin'ny tany Tandrefana, amin'ny fampideraderana ireo tombontsoa izay manimba ny lalàna sy ny zon'ireo eo an-toerana. Nampiakatra ny vidin'ny tany ny fivoaran'ny tanàna, nanery ny mponina teo ho any an-tanàna itatra, mampihena ny toerana maitso ary lasan'ny olon-tsotra ho fananany manokana ny moron-dranomasina. Amin'ny alàlan'ny fivoaran'ireo lasitrasa ireo, tsy manasa ny ampielezany ihany i Afrika fa mikolokolo azy ireo ho mpiara-miombon'antoka amin'ny fahaterahan'ny kaontinanta indray.
Traika any amin'ireo tafody sy ny ao an-toerana
Mipaka lalina ny fiantraikany ho an'ireo tafaverina. Nilaza tamin'ny AP i Deijha Gordon, izay nifindra avy any New York ho any Ghana, raha nahazo zom-pirenena fa “tahaka ny tsara ery izany manana fifandraisana tsara amin'ny firenena afrikana iray izany amin'ny maha-Afrikana-Amerikana, Amerikana mainty. Raha tany Amerika manko, tsy misy ahafahanay manjohy ny fototra niavianay ankoatra ny hoe Afrika. Ny fananana izany fifandrohizana izany no ahatsapako hoe mety ny zavatra nataoko”.
Tombony iray amin'ny fahazoana zom-pirenena Afrikana Andrefana ny fahazoana pasipaoro CEDEAO ( ECOWAS ), izay ahafahana mivezivezy malalaka amin'ireo firenena 15 ao Afrika Andrefana.
Na izany aza, mbola misy ireo fanamby mitampikitra. Any Ghana, nampirongatra ny fizahantany ny “Taonan'ny Fodiana”, saingy nampitandrina ny mpitsikera fa tsy voazara ara-drariny ny tombony ara-toekarena ary mety hampiakatra ny vidin-javatra ho an'ny mponina ao an-toerana. Nametraka fanamby ao Ghana ny fodian'ireo ampielezana, indrindra ireo avy any amin'ny tany Tandrefana, amin'ny fampideraderana ireo tombontsoa izay manimba ny lalàna sy ny zon'ireo eo an-toerana. Nampiakatra ny vidin'ny tany ny fivoaran'ny tanàna, nanery ny mponina teo ho any an-tanàna itatra, mampihena ny toerana maitso ary lasan'ny olon-tsotra ho fananany manokana ny moron-dranomasina.
Amin'ny alàlan'ny fivoaran'ireo lasitrasa ireo, tsy manasa ny ampielezany ihany i Afrika fa mikolokolo azy ireo ho mpiara-miombon'antoka amin'ny fahaterahan'ny kaontinanta indray.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/07/22/175249/
|
Fitsaram-bahoaka: Afa-mamarana ny herisetran'andian'olona ve i Nizeria?
| 2025-07-22T03:36:04
|
Unknown
|
Polisy Nizeriana lahy sy vavy. Sary avy amin'i AMISOM Public Information ao amin'ny Flickr ( CC0 1.0 Universal )
Avy amin'i Pamela Ephraim sy Adewale Fajana
Manjaka any Nizeria ny fitsaram-bahoaka , endrika fanasaziana tsy ara-dalàna ataon'andian'olona na vondrom-piarahamonina mandray ny lalàna ho eo ampelantanany. Mitatitra ny Amnesty International fa farafahakeliny 555 ny trangam-pitsaram-bahoaka voarakitra tao Nizeria tanelanelan'ny taona 2012 ka hatramin'ny taona 2023 ary lazainy fa sady mihamahazo vahana no mihamahazo faka ny herisetra.
Mazàna tafiditra anatin'izany ny fanalam-baraka ampahibemaso, daroka, fampijaliana, eny fa na hatramin'ny famonoana ho faty mihitsy aza — noho ny fiahiahiana heloka bevava, tsy misy porofo, fisamborana, na fitsarana. Tamin'ny taona 2022, tovolahy iray voampanga ho nangalatra môtô no maty nodoran'ny andian'olona tao amin'ny fanjakan'i Edo , nahitana ny nataon'andian'olona tanaty horonantsary nivezivezy tao amin'ny media sosialy. Ny ampitso, vehivavy kristiana mpianatra iray 22 taona no notorahan'andiana mpianatra miozolomana vato mandra-pahafatiny rehefa nampangaina ho niteny ratsy ny finoana silamo. Tamin'ny taona 2024, nenjehina sy nosamborina ary nodoran ‘ andian'olona romotra ireo olona nahiahiana ho mpangalatra finday tao Jos , Fanjakana Plateau . Nasehon'ireo trangan-javatra ireo ny endrika tsimatimanota manahiran-tsaina sy ny fidorororo na tsy-fisian'ny fitsarana, satria mahalana no fantatra na tsaraina ny ankamaroan'ireo mpanetsi-bahoaka.
Nahoana no mbola misy ny fitsaram-bahoaka?
Hamarinin'ny Nizeriana sasany ho ratsy ilaina noho ny habibiany ny fitsaram-bahoaka. Mandresy lahatra ry zareo fa mahatonga ny fanarenana ara-pitsarana ho tsy azo ianteherana ny kolikoly ataon'ny polisy , ny fanemorana ny fitsarana , ary ny tsimatimanota tsikaritra.
“Amin'izao fotoana izao, toa hita ho tsara kokoa noho ny rafi-pitsarana nizeriana ny fitsaram-bahoaka”, hoy ny mpisera X iray nizara tamin'ny ranty malaza iray. Skales , Nizeriana mpampiala voly, niteny hoe : “Vitsy kokoa ny heloka bevava eto Nizeria raha oharina amin’ny any UK noho ny fitsaram-bahoaka.”
Raha niresaka tao amin'ny X Space mitondra ny lohateny hoe “Fitsaram-bahoaka sy zon'olombelona: Antony sy fiantraikany eto Nigeria,” Nilaza i Olalekan I. Oladapo, mpisolovava, hoe:
The Constitution provides for a presumption of innocence until proven guilty, and the burden of proof lies on the prosecution, not the defendant. So the problem does not largely lie in the judiciary; it lies in the system. The criminal justice system takes a long time, and people want justice immediately. Until we are able to put all the necessary reforms on this, we are still going to face the same problem.
Iantohan'ny Lalàmpanorenana fa tsy manan-tsiny ny olona iray mandraka ny fanaporofoana azy ho meloka, ary miankina amin'ny fampanoavana ny havesatry ny porofo, fa tsy amin'ny voampanga. Ka tsy miankina loatra amin’ny fahefam-pitsarana ny olana; fa amin'ny rafitra. Maka fotoana maharitra ny rafi-pitsarana heloka bevava, fa mitady rariny eo noho eo ny olona. Mandra-pahavitantsika mametraka ny fanavaozana rehetra ilaina amin'izany dia mbola hiatrika karazan'olana iray ihany isika.
Nampifandray ny fifaharan'ny fitsaram-bahoaka amin'ny psikolojiam-bahoaka i Olatunji Dusi, inspektera jeneraly mpanampy ao amin'ny polisy, vondrom-piarovana manokana ao Nizeria.
“Tsy afa-miresaka fitsaram-bahoaka isika raha tsy miresaka psikolojiam-bondron'olona mitangorona; ny fihetsiky ny olona rehefa ao anaty vondron'olona betsaka, hitany ho hirika ahafahan'izy ireo manao fihetsika diso sy ahafahany manao izay tiany atao io satria afa-miafina anaty herin-tangoron'olona ry zareo ny fitaomam-bahoaka no ahafahan'izy ireo mandray fanapahan-kevitra iraisana. ” Nampiany fa mety iharan'ny fitsaram-bahoaka na iza na iza.
Inona no azo atao?
Tondroin ‘i Oladapo ho “fahantrana sy tsi-fahalalana” ny anton'ny fitsaram-bahoaka. Hoy izy: “Mila manao zavatra bebe kokoa ny fitondram-panjakana mba hiantohana ny fiahiana ny vahoaka sy hanome vahana ireo sampan-draharaha misahana ny fampiharana ny lalàna mba hahazoana antoka fa mahomby sy miasa ny rafi-pitsarana eto amintsika.”
Nilaza tamin'ny Global Voices i Fukky Danladi Mashat, mpahay lalàna ao Abuja, Nizeria, fa azo atolefika ny fandrahonana amin'ny alalan'ny “fanafainganana sy fampahombiazana kokoa ny raharahan-heloka bevava, fanabeazana eny ifotony amin'ny loza ateraky ny fitsaram-bahoaka, fanamafisana ny tamberina andraikitra eo anivon'ny fampiharana ny lalàna sy ny fahefam-pitsarana, ary ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fitsarana mizotra haingana sy mangarahara.
Afaka mamerina ny fitokisan'ny besinimaro isika rehefa atrehina ireo antony fototra ireo, manapaka ny ranomodin'herisetran'andrimasom-pokonolona, ary mampanjaka ny tena fahamarinana,” hoy izy nanampy.
Nilaza ny matihanina amin'ny haino vaky jery Nizeriana, Sola Jaiyesimi, fa manana anjara toerana amin'ny fanononana sy fampamenarana ireo mpitarika herisetram-bahoaka ny fampitam-baovao. Raha nitanisa ilay trangam-pitsaram-bahoaka malaza namonoana olona efatra ivelan'ny fitsarana tao Aluu (Aluu Four) izy dia noderainy ny rafi-pitsarana nanameloka polisy iray ho mpiray tsikombakomba amin'ny fitsaram-bahoaka .
Ao anatin'ireo tolo-kevitra maromaro nataon'ny Amnesty International, nomarihiny fa tena tsy ampy hiantohana fanaraha-maso mahomby ny mpitandro filaminana ao Nizeria latsaky ny 400.000 hikarakara olona maherin'ny 200 tapitrisa. Nomeny hevitra ny governemanta hametraka lalàna miady amin'ny herisetra ataom-bondron'olona, hampahomby ny fampiharana ny lalàna, sy hampahomby ny ady amin'ny herisetra amin'ny anaran'ny fivavahana.
Amnesty International Nigeria held a townhall stakeholders engagement on eradicating mob violence. The event held on Tuesday 1 July 2025 in Benin Edo state brought under one roof, market associations, law enforcement, civil society, activists, lawyers, journalists and students. pic.twitter.com/LI1mZYcY63
— Amnesty International Nigeria (@AmnestyNigeria) July 5, 2025
Nanatontosa fivoriana ampahibemaso hanetsehana karazana mpandray anjara maro ny Amnesty International Nigeria hamongorana ny herisetran'andian'olona. Notontosaina tamin'ny Talata 1 Jolay 2025 tao amin'ny fanjakan'i Benin Edo ny hetsika namoriana fikambanan'ny tsena, mpampihatra lalàna, fiarahamonim-pirenena, mpikatroka, mpahay lalàna, mpanao gazety ary mpianatra.
Afaka manampy betsaka ireo tolo-kevitra ireo amin'ny fiantohana fa ho faty ankaranany ny fitsaram-bahoaka ary ho latsaka hatrany amin'ny kely indrindra ny ( herisetra )m-bahoaka, satria ny tena fototry ny lalàna dia ny hifehy sy hampitony ny fitondrantenan'olombelona ho amin'ny fiaraha-miaina milamina sy mandry fahalemana.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/07/20/175213/
|
Nahazo loka teo amin'ny sehatra iraisampirenena, Mouhamed Zamal Guèye mampahatsiahy ny lova manankaren'ny literatioran'i Senegaly
| 2025-07-20T09:00:54
|
Unknown
|
Mouhamed Zamal Guèye, ankavanana eo amin'ny sary. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Lofleaudumal.
Mitohy mampanan-karena ny tontolo mampiasa sy miteny frantsay ny literatiora senegaly: tanora senegaley iray poeta, i Mouhamed Zamal Guèye, no vao avy nahazo loka iray malaza sy iraisampirenena ho an'ny tononkalo.
26 taona i Guèye, ary ny 5 Jolay teo no nahazoany ny andiany 2025 tamin'ny fifaninanana iraisampirenena momba ny tononkalo nokarakarain'ny fikambanana Femmes au Secours de la Paix , ONG iray noforonin'ireo vehivavy mitolona hisian'ny fandriampahalemana, tamin'ny 2015 tao Frantsa. Ilay loka dia atolotra ivelan'ny fankalazana ny Andro Erantany ho an'ny Fandriampahalemana ankalazaina rehefa 21 Septambra manerana izao tontolo izao.
Tamim-pamirapiratana tokoa no nahazoan'i Guèye ny loka voalohany tamin'ilay fifaninanana nafantoka tamin'ny lohahevitra hoe “Ny fandriampahalemana ao an-jaridainako”. Ao amin'ny kaontiny X , manoratra izy:
Ce qui m’arrive aujourd’hui n’est pas le fruit du hasard, ni le simple résultat d’un effort personnel. C’est plus grand que moi, plus juste, plus profond. C’est un signe, un souffle, une bénédiction. Je le ressens dans chaque regard bienveillant, dans chaque message reçu, dans… pic.twitter.com/EnZLNbIsGO
— Zamal_gueye🇸🇳 (@gueye_zamal) July 7, 2025
Tsy zavatra kisendrasendra akory izay mitranga amiko androany, na hoe vokatry ny ezaka manokan'ny tena. Lehibe kokoa noho izaho, mety kokoa, lalina kokoa. Famantarana iray io, fofonaina, fitahiana. Tsapako any anatin'ny tsipalotra tsirairay feno hatsaram-panahy, any anatin'ny hafatra tsirairay voaray, any anaty … pic.twitter.com/EnZLNbIsGO
— Zamal_gueye🇸🇳 (@gueye_zamal) 7 Jolay 2025
Io zotra io dia ahatsiarovana ny an'ilay filoham-pirenena voalohany, Léopold Sédar Senghor (1906-2001), izay poeta iray goavana ary Afrikana voalohany tafiditra tao amin'ny Akademia frantsay , no sady nanao raharaha pôlitika, tsy frantsay fotsiny, avy eo senegaley, fa manerana an'i Afrika manontolo. Tahaka izany koa, tamin'ny 2021, nahazo ny loka Goncourt, iray amin'ireo loka ho an'ny literatiora malaza indrindra ao Frantsa sy manerana ny tontolon'ireo tany mampiasa sy miteny frantsay, ilay Senegaley, Mohamed Mbougar Sarr, tamin'ny alalan'ilay tantara noforoniny La plus secrète histoire des hommes . Izy dia nianatra rahateo tao amin'ny lisea Prytanée Militaire ao an-tanànan'i Saint-Louis, faritra avaratry ny firenena, izay toy izao no nambaran'i Guèye tao anaty antsafa iray ho an'ny gazety senegaley Le Soleil :
Avy eo aho niaraka tamin'ireo ankizy tao amin'ny tarika Prytanée Militaire , ireo ankizy mendrika indrindra tao amin'ny firenena, ary nezahako ny hitovy laharana tamin-dry zareo: namaky rakibolana aho, nitadidy voambolana, niezaka nihoatra ny tenako ihany. Io kolontsain'ny mba ho lafatra io, dia azoko avy amin'io fitakiana lasa aloha loatra io, avy amin'io faniriana ny hanao tsara kokoa hatrany io.
Ao anatin'ity lahatsary manambatra ny fiteny wolof sy frantsay ity, hazavain'i Guèye ny zotra nodiaviny ary velabelariny ny dikan'ilay angona tononkalo nataony:
Araka ny ambarany ihany ao anatin'ilay antsafa ho an'ny gazety Le Soleil, ny fifehezantena no fanalahidy iray nahitany fahombiazana:
Nangatahan'i Binetou Dieye, zokiko vavy, ny hamintinako ireo boky, raha tsy izany tsy nomena ody am-bavafo sy vola fanao am-paosy aho. Tamin'ny alalan'io fombafomba io, nampitainy tamiko ny fifehezantena ara-tsaina izay, rehefa nandeha ny fotoana, dia nivadika ho fankafizana.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/07/18/175174/
|
Ao Burundi, fitondràna miaina krizy sy tanora mandositra faobe ny fireneny
| 2025-07-18T05:00:53
|
Unknown
|
Afovoan-tanànan'i Bujumbura, renivohitra ara-toekaren'i Burundi ; pikantsary tamin'ny fantsona YouTube France 24.
Ao anatin'ny fifanomezan-tànana amin'ny www.afriquexxi.info no amerenan'ny Global Voices ity lahatsoratra ity. Hita ao amin'ny tranonkala Afriquexxi ny lahatsoratra niandohana.
Ao Burundi, noteren'ny krizy lalina ara-toekarena handao ny tokantranony sy mba hitsapa vintana any amin'ireo firenena mpifanolo-boridindrina ireo tanora an'aliny marobe diso fanantenana.
Nanjombona sy tsy nisy mpiraharaha nandritra ny fotoana ela, tsy afaka ny hotsinontsinoavina ny famirapiratan'i Gitega ankehitriny, tanàna ao afovoan'ny firenena, renivohitra pôlitikan'i Burundi ary toerana niavian'i Évariste Ndayishimiye (filohampirenena nanomboka tamin'ny 2020). Ankehitriny i Gitega dia toy ny misitraka ireo soa maro mifangaro, ara-tantara sy ara-pôlitika ary jeôgrafika, miaraka amin'ny fananganana ireo hôtely vaovao saika eny rehetra eny, ny fisokafan'ireo fandraharahana vaovao (indrindra fa ireo magazay mpivarotra fitaovana fanorenana), ao anatin'ny kotaba isanandron'ireo anjomara mifandimby mba hisava lalana ho ana minisitra iray handeha hamonjy kaonferansa, na manamboninahitra ambony iray ao amin'ny tafika handeha hitsirika ny toeram-piompiany, na olona ambony iray ao amin'ny Conseil National de Défense de la Démocratie-Forces pour la Défense de la Démocratie (CNDD-FDD), antoko eo amin'ny fitondrana, avy namonjy fivoriana pôlitika iray.
Mampisalasala ny momba io fitaomana io rehefa atodika ny maso tsy hijery ireo toeram-panorenana goavana ka mankany amin'ireo olompirenena tsotra, eny an'arabe na eny amin'ireo havoana. Eo anoloan'i Matergo (afovoan'i Gitega), toerana ifanolosoloan'ireo manampahefana, diplaomaty sy mpandraharaha…. Misy fiara roa mijanona mifanila, misokatra ny fitoeran-tsolikany. Lehilahy iray eo anelanelan'izy roa mitroka ny ao amin'ny iray mba hamenoana ilay iray hafa. Matahotra ny momba azy, nibitsibitsika ny mpandalo iray, nanodina ny lohany havia havanana mba hiantohana fa tsy hisy sofina ranga handray ny teniny :
Tsy maintsy mahaliana ny adivarotra, hoy ny mpandalo iray. Mety nanolotra azy avo dimy heny amin'ny vidiny ara-dalàna ilay mpividy, na nihoatra mihitsy aza. Izany izao no fandraharahana vaovao eto, raha manana fiara ianao. Milahatra mandritra ny andro maro eny amin'ny tobin-tsolika ianao ka raha manam-bintana hahazo solika, amidinao indray amin'olona hafa tsy manana izay faharisihana izay. Izany no ilay Burundi ankehitriny. Tena mivaralila marina tokoa ilay fireneko !
Eto amin'ny firenena, toa manan-tsofina hatramin'ireo arabe izao. Ny fitenenana hoe mivaralila ilay firenena, ny hoe tsy mandroso ny fiainan'ny olompirenena noho ny olana ankapobeny amin'ny solika izay efa ho taona telo no naharetany, dia fanoherana ny fitantarana ôfisialy, ny an'ilay firenena iray izay tondra-dronono sy tantely. Eny tokoa, tsy tokony hisy afa-tsy haravoana ao amin'ny « sahan'i Edena », araka ny iantsoan'i Evariste Ndayishimiye tamim-pahasahiana an'i Burundi.
Fitondrana marary saina
Firenena iray ambany fanarahamaso hentitra i Burundi. Notanterahana tao anaty fanidiana pôlitika ireo fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly natao tamin'ny 5 Jona: efa nandritra ny folo taona ireo mpanohitra ara-pôlitika no nipetraka any an-tsesitany, ary efa saika ngoly avokoa ireo nijanona tao amin'ny firenena. Vokany : ny CNDD-FDD , antoko eo amin'ny fitondrana, no nahazo 100% ireo seza ao amin'ny Antenimieram-pirenena, zavabita toy ny an-dry zareo Koreana Tavaratra izay tsy mbola nisy antoko pôlitika nahatratra hatramin'izao, hatramin'ny nampidirana ny fahamaroan'antoko, tany amin'ny taona 1990 tany.
Azo tsapain-tanana ny fihenjanana eny an'arabe. Ireo tanora an-jatony avy amin'ny antokon'ny fitondrana, ry zareo Imbonerakure , tondroin'ny Firenena Mikambana ho milisy, manao jogging , indraindray mitam-piadiana sy manao fanamiana, miventy ireo hiran'ny tafika, raha ny polisy kosa manao sava hao. Manjaka ny honohono momba ny fisian'ireo borondey mpihoko tafatsofoka any anatin'ny firenena. Mikaroka toerana fanafenana fitaovam-piadiana ny pôlisy, any ambany sezan'ny fiara, anaty fitoeran'entana, na aiza na aiza. Tsy maintsy raisina koa ny toedraharahan'ny faritra, miaraka amin'ny fisian'ny hetsika mpihoko M23 (tohanan'i Roandà, araka ny tatitra maro avy amin'ny ONU) any am-baravaran'i Bujumbura , renivohitra ara-toekaren'i Burundi. Efa ny mpihoko sahady no mifehy ny tanàna ao Bukavu, ankoatra an'i Goma , renivohitr'i Kivu Atsimo sy Kivu Avaratra, izay mandrafitra ny faritany atsinanan'i RDC. Lalana atao ora efatra monja avy ao Bujumbura i Bukavu.
Ny fitondrana ao Burundi, izay efa mahatsiravina nandritra ny efa ho folo taona ny fifandraisany diplaomatika amin'i Roandà, dia matahotra ny hiondranan'ny ady avy any atsinanan'i RDC ho ao amin'ny taniny. Tsy mbola ambony be tahàka izao ny ambana hatramin'ny 2015, fony nisy ireo Borondey anjatony maro nandeha an-tsesitany , taorian'ny fanapahankevitr'i Pierre Nkurunziza (nodimandry tamin'ny 2020) hikatsaka fepotoana fiasàna fanintelony sy ny krizy pôlitika naterak'izany. Roandà no nandray ny ampahany betsaka tamin'ireo mpitsoa-ponenana. Hatreo, tsy nitsahatra niampanga an'i Kigali i Gitega ho mampiantrano mpihoko maniry hanongana azy.
Ambana hisiana firodanana ara-pôlitika
Fa mahagaga, tsy fitaovampiadiana ihany no karohana. Lasibatra koa ny labiera. Saingy tsy ny labiera rehetra: ny Primus sy/na ny Amstel , vokarin'ny Brarudi , ilay goavana sy tranainy indrindra amin'ireo mpamokatra labiera ao amin'ny firenena. Toy ny solika ihany, ny fahazoana labiera Brarudi dia fitadiavana fanjaitra anaty mololo. Raha zavapisotro azo noraisina nandritra ny taompolo maro, lasa vokatra avo lenta ilay izy, tsy hita raha tsy any anatin'ireo hôtely lehibe. Ary nandray andraikitra sarotra ny fanjakana tamin'ny fitsinjarana ny fanapariahana azy. Mpanao gazety nanaraka fampielezankevitra no mijoro ho vavolombelona:
Hisy fiantraikany amin'ny vokatry ny fifidianana ny tsy fisian'ny solika, satria izay solika kely misy dia omena ny antokon'ny mpitondra hanaovany fampielezankevitra. Toy izany koa ny labiera. Ao Bururi, atsimon'ny firenena, nandeha namonjy trano fisotroana aho mba hividy labiera, tsy lavitra ny toerana nivorian'ny CNDD-FDD. Dia nampahafantarina ahy hoe efa lasan'ny antoko eo amin'ny fitondrana daholo ny zavapisotro tao amin'ilay toerana.
Tamin'ny taona lasa ny Brarudi, lehibe indrindra mpandoa hetra ao amin'ny firenena (lazaina fa 68 lavitrisa farantsa borondey ny hetra tamin'ny 2024, izany hoe 19,8 tapitrisa euros ( 23138379 dôlara amerikana), dia nanambara ho tsy ampy malt , akora fototra ilaina amin'ny fanamboarana ireo zavapisotrony, ary io, noho ny « tsy fahampian'ny vola vahiny » . Burundi, voasokajy ho laharana faharoa erantany mahantra indrindra, eo alohan'i Sodàna atsimo, dia tsy nanana afa-tsy ny fanampiana iraisampirenena, indrindra fa avy amin'ny Fiombonambe Eorôpeana, ho toy ny loharano fototry ny vola vahininy. Nitsahatra io tohana io tamin'ny 2016 noho ny fandavan'ny fitondrana tsy hifanakalo hevitra amin'ireo mpanohitra azy.
Miaraka amin'ny toekarem-pirenena miala aina (87% amin'ny vahoaka no miaina ambanin'ny 1,6 euro/1,87 dôlara amerikana isanandro, hoy ny Banky Iraisampirenena), ireo olan'ny fahaiza-mitantana, indrindra fa ireo trangana kolikoly goavana sy fanodinkodinana vola izay tsy mbola hay hatramin'izao ny tena habeny (faran'ny 2023, tamin'ny fanamelohana azy higadra mandra-maty noho ny andrana fanonganam-panjakana, fantatra fa i Alain-Guillaume Bunyoni , praiminisitra fahiny, dia nanana efa ho trano 150 azy manokana, tao Burundi fotsiny), atambatra amin'ny toedraharaha pôlitika mitsingilahila, ankehitriny ny fitondran'i Évariste Ndayishimiye, kikisan'ny ady anatiny ifanaovan'ireo jeneraly matanjaka, dia toa miatrika ambana roa sosona: firodanana ara-toekaren'ny firenena sy ny firodanana pôlitika azy manokana.
Mandositra firenena amin'ny lafiny rehetra ireo tanora
Ho an'ny vahoaka, ny olana dia mihoatra noho izay hahatafavoaka velona ara-toekarena, araka ny fanazavan'ny mpandalina iray izay nangataka tsy hotononina anarana:
Amin'ny ankapobeny ny Borondey dia efa zatra miaina amin'izay kely ananany. Tsy firenena nandroso velively i Burundi miaraka amin'ireo harena rehetra miaraka amin'izany. Saingy ho an'ireo mponina ao an-toerana, izany dia tsy noheverina mihitsy ho toy ny fara andro. Ankehitriny, ny olana goavana dia ilay firenena mihalasa tsy azo iainana. Ho an'ireo tanora mandositra ny fireneny amin'ny lafiny rehetra dia tsy misy intsony fanantenana ny hoavy. Mbola tsy ela akory izay, tsy azo noeritreretina ny hahita lehilahy arahan-jafikely handao ny fianakaviany ary hiala ny firenena. Tena mifamatotra amin'ny fianakaviana ny Borondey. Saingy indrisy, efa miharovitra io lambanany io. Tafatsofoka hatrany anatin'ny selan'ny ankohonana ny fanjakana. Mangirifiry fa tsy afaka akory hilaza izany, eny fa na ao an-tokantranony aza. Tonga hatrany an-tokantrano ny fitsikilovana.
« Ireo tanora mandositra ny firenena amin'ny lafy rehetra » angamba no tena mampanahy indrindra ho an'ny hoavin'io firenena kely ao Afrika Atsinanana io, misy vahoaka mihoatra ny 13 tapitrisa ary latsaky ny 25 taona ny 65 % -n'ny mponina. Hatramin'ny nisian'ny famoretana feno rà nandriaka nanoherana ny fepotoana fitondrana fanintelony ho an'i Pierre Nkurunziza, taona folo lasa izay, dia tsy nitsahatra ny fifindramonina. Feno tanora Borondey, indraindray mbola ankizy, ireo renivohi-paritany lehibe Kigali, Kampala, Nairobi. Tamin'ny Febroary lasa, mpampahalala vaovao roa ao an-toerana no nanokana fandaharana manokana mba hanairana ny saina manoloana ny taha manan-tantaran'ny fandaozana sekoly, 70%, raha nitanisa ireo « ankizy mihoatra ny 4 500 » izay niala an-daharana tao anatin'ny volana telo monja, tao amina faritany iray monja, Kayanza (avaratr'i Burundi), nandritra ny taompianarana 2024-2025.
Teo anelanelan'ny Janoary sy Ôktôbra 2022, 20 000 no nandeha
Midoladola any amin'ireo havoana ambanivohitr'i Kenya amin'izao fotoana izao, indraindray tsy manana antontan-taratasy ôfisialy, mivarotra voanjo sy mofo amin'ireo mpandalo i reny tanora ireny ihany, izay tsy mino intsony ny hisian'ny azon'ny sekoly omena an-dry zareo (ao Burundi, lazaina fa tsara kokoa noho ny diplaoma ny karatra maha-mpikambana ao amin'ny antokon'ny mpitondra). Manazava ny iray amin'izy ireny:
Io fandraharahàna io dia ahafahanay, fahafaharatsiny, mandefa zavatra any amin'ny fianakavianay miaina anaty fahantrana tsy hay faritana ao Burundi.
Manamafy izy hoe afaka mandefa 3.000 shillings keniàna isambolana raha kely indrindra, eo ho eo amin'ny 20 euros (23,50 dôlara amerikana), izany hoe mihoatra kely noho izay fandrain'ireo mpiasam-mpanjakana sasantsasany ao Burundi. Alefa any amin'ireo firenena arabo ny tovovavy, amin'ny alàlan'ireo masoivoho mpanelanelana izay ny sasany dia tomponandraikitra ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana no tompony. Ny tanora sasany hafa koa, an'aliny maro, indrindra fa avy amin'ireo fianakaviana antonontonony, mandeha mifindra monina mankany Eorôpa, mandalo an'i Serbia , nihoatra ny 20 000 no nandeha teo anelanelan'ny Janoary ny Ôktôbra 2022, araka ny VOA Afrique ). An'arivony maro ireo mpitsabo tsy an'asa no nandositra lasa nitady asa any amin'ireo firenena mpifanila vodirindrina. Ho fampahatsiahivana, mpitsabo 0.14 ho an'olona 1.000 no nananan'i Burundi tamin'ny 2020, latsaka folo heny noho ny fetra ambany indrindra nomen'ny OMS (Fikambanana Erantany misahana ny Fahasalamana).
Nandritra ny fampielezankevitra, manoloana ny fahantrana saiky efa iainan'ny rehetra, tsy maintsy namoaka ny fitaovampiadiana mavesatra ny filoham-pirenena mba hanandramana handresena lahatra ny olona: ny 15 May, nanome toky 1 tapitrisa farantsa ho an'ny Borondey tsirairay izy ato anatin'ny taona roa tao Gitega, tanànany, izy. Afa-tsy ny hoe angamba ho very ny sandany amin'izao fotoana izao io iray tapitrisa farantsa borondey io (eo amin'ny 291 euros/340 dôlara amerikana), raha toa ny toekarena ka mitohy miharatsy. Ho voatazona ve ilay fanomezantoky ? Tamin'ny 2020, fony izy nandray ny fitondrana, saika ireo teny ireo ihany no nambarany, tamin'ny fampanantenana « vola ho any am-paosin'ny tsirairay » . Taona dimy aty aoriana, mbola tokony hino azy ihany ve ny Borondey ? Vonjy aina bebe kokoa no ilain'ilay firenena fa tsy fampanantenana.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/07/10/174822/
|
Filoha afrikana fahiny, miatrika fitsaràna: ohatra amin'ny fahaiza-mitantana sa valifaty pôlitika?
| 2025-07-10T13:00:27
|
Unknown
|
Macky Sall, filoha teo aloha tao Senegaly (2012-2024) ; pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny United Nations Global Compact
Ao Afrika, marobe ireo filoha taloha no henjehin'ny fitsaràna any amin'ny firenen'izy ireny, saingy moa ve io dingana io hetsiky ny fahaiza-mitantana sa valifaty pôlitika?
Matetika no voatondro ho toy ny olana raikitampisaka ao Afrika ny faharatsiam-pitantanan-draharaha any amin'ny faratampon'ny Fitondràna. Ireo mpanohitra, mpisehatra avy amin'ny fiarahamonina sivily, mpanaramaso ny fiainana sôsialy sy toekarena afrikana dia tsy mitsahatra misarika ny saina hijery ny lisitra lavabe ahitàna ireo olana tsy nahitàm-bahaolana: faharatsiam-pitantanana, fanodinkodinam-bola, kolikoly, fanitsakitsahana zo maha-olona, sns… Mandritra ny fepotoana fiasàny dia mazàna no tsy azo kitikitihana ireo filoha amperinasa, saingy mitsahatra ny maha-tsimatimanota azy ireny vantany vao tapitra ny fepotoana fiasàny. Ho an'ny sasany araka izany dia mifanojo amin'ny fiandohan'ireo fanenjehana eny amin'ny fitsaràna miainga avy amin'ireo fitarainana voapetraka tao amin'ny firenen-dry zareo io vanimpotoana io.
Lahatsoratra iray an'ny Radio France Internationale (RFI) nivoaka tamin'ny 2021 no manao fandihadiana iray momba izay miandry ireo Afrikana marobe mpitondra fahiny very hasina taorian'ny fepotoana nitondràn'izy ireny. Hita anatin'io lisitra io ry Yahya Jammeh (filoha taloha tao Gambia, 1994-2017), ilay Liberiàna Charles Taylor (1997-2003), Omar el-Béchir (filoha taloha tao Sodàna, 1989-2019), Jacob Zuma (filoha taloha tao Afrika Atsimo, 2009-2018), Ahmed Abdallah Sambi tao Kômôro (2006-2011), Hissène Habré filoha taloha tao Tchad (1982-1990), Blaise Compaoré (filoha taloha tao Burkina-Faso, 1987-2014), Laurent Gbagbo (Côte d'Ivoire, 2000-2011), Mohamed Ould Abdel Aziz (filoha taloha tao Maoritania, 2009-2019), na ihany koa i Macky Sall (Senegaly, 2012-2024).
Ohatra vitsy vao haingana tany amina firenena roa – Senegaly sy Maoritania – no maneho anaty tranga marobe ny fahasarotan'io dingana io, izay mipetraka mazàna eo anelanelan'ny fitsaràna sy ny valifaty pôlitika.
Ny sasany miala ary miatrika fitsaràna
Macky Sall dia filoha tao Senegaly, firenena iray nekena ho fakàna tàhaka raha resaka demaokrasia tao amin'ilay tanibe, nandritra ny fepotoana fiasàna indroa. Nandray anjara tamin'ny fampandrosoana ny fireneny, niainan'i Macky ny fifandirana pôlitika nifanandrinany tamin'i Ousmane Sonko , filohan'ny antoko Patriotes du Sénégal pour le travail, l’éthique et la fraternité (PASTEF), mpanohitra azy voalohany no sady mpifaninana ho filohampirenena nandritra ny fifidianana tamin'ny 2024.
Ny fahalanian'i Bassirou Diomaye Faye , mpirotsaka avy amin'ny antoko PASTEF nisolo toerana an'i Sonko, ary filoha amin'izao fotoana izao ao Senegaly hatramin'ny Martsa 2024 no manamarika ny fiandohan'ny famaliana faty. Ny tarik'i Faye, izay Ousmane Sonko no mpitarika azy, lasa praiminisitra teo anelanelany teo, dia miampanga an'i Macky ho nanao famadihana tanindrazana manoloana ny Fanjakana senegaly, tamin'ny nampibaribariany trosa iray mitentina 7 lavitrisa dôlara izay toa nafenin'ny fitondran'i Macky teo anelanelan'ny 2019 sy 2024. Tao anaty lahatsoratra iray nivoaka tamin'ny Septambra 2024, France24 dia nitanisa vesatra marobe fanenjehana an'i Macky: fampiasàna vola tany amin'ny tsy izy, faharatsian'ny fitantanana ary “fanodinkodinana volam-bahoaka”, fanaovana fanambaràna diso momba ny hetra” sy ny trosam-panjakana ao amin'ny firenena tamin'ireo mpiara-miombona antoka iraisampirenena.
Taorian'ny nandaozany ny asa maha-filoha azy, nipetraka tany Maraoka aloha i Macky Sall. Nambara ho persona non grata (olona tsy iriana) i Macky noho ireo fangatahana maro ho fampodiana azy nataon'ny governemanta vaovao ao Dakar tamin'i Maraoka tamin'ny Martsa 2025 ao anatin'ilay fifanarahana fampodiana nifanaovan'ny firenena roa tonta, ka toa lasa nipetraka tany Côte d'Ivoire . Saingy mety hiatrika ny fanesorana ny sata tsimatimanota ananany izy, izay sambany teo amin'ny tantaran'ny demaokrasia senegaly, ary mety hiharan'ny fanenjehana eny amin'ny fitsaràna.
Toy izany no nitranga tamin'ilay raharaha tamin'ny Janoary 2025 nanjo an'i Mouhamadou Ngom , solombavambahoaka avy amin'i Macky; ary ny an'i Moustapha Diop sy Rtoa Salimata Diop, minisitra roa fahiny fony fitondrany izay nesorina tamin-dry zareo ny sata maha-tsimatimanota azy tamin'ny May 2025 noho ny raharaha fanodinkodinam-bola.
Tamin'ny fanindrahindràna ireo ohatra fanenjehana filoha taloha tany amin'ny firenena hafa, Hayati Fall , Senegaly iray monina ao Etazonia no manoratra ao amin'ny kaontiny X :
La France a jugé et condamné Sarkozy, Yaya Jammeh va être jugé pour ses crimes en Gambie, Abbré a été jugé et condamné avec l’aide de Macky Sall, mais Macky Sall et ses suiveurs croient qu’il vont revenir tranquille dans ce pays pour réclamer les suffrages des sénégalais.
— Hayati Fall (@hayatifall) December 18, 2024
Notsarain'i Frantsa sy nohelohiny i Sarkozy, hotsraina noho ny heloka vitany tao Gambia i Yaya Jammeh, niaraka tamin'ny fanohanan'i Macky Sall, notsaraina sy nohelohina i Abbré saingy mino i Macky Sall sy ireo mpanaraka azy fa hiverina am-pilaminana ao amin'ny firenena ry zareo haka ny vaton'ireo Senegaly.
— Hayati Fall (@hayatifall) 18 Desambra 2024
Ao Maoritania, vao avy nahita ny hoaviny any ambadiky ny karakara vy i Mohamed Ould Abdel Aziz , filoha nanomboka ny 2009 ka hatramin'ny 2019. Taorian'ny nitarihana fanonganam-panjakana indroa tamin'ny 2005 sy 2008 , lany ho filohampirenena izy tamin'ny 2009, dia mbola lany indray tamin'ny 2014.
Voatery tsy mainty mamerina ny fahefana rehefa tapitra ny fepotoana roa, napetrany haka ny fitondrana i Mohamed Ould Ghazouani , tànan-kavanany tao anatin'ny fitondràna. Saingy vao tafakatra ho eo amin'ny toerana maha-filoha izy ity farany dia nanomboka hetsika nanohitra ilay teo alohany mba hanaovana fanadihadiana momba ny fitantanany ny fanjakana. Tamin'ny 2020, nisy ireo fiampangana resaka kolikoly natao tamin'ny enina tamin'ireo minisitra tao aminy, izay eo ambany fanarahamason'ny fitsaràna. Ny Martsa 2021, Ould Abdel Aziz dia nampangaina ho namory vola, nanao kolikoly , nanangona harena tamin'ny tsy ara-dalàna, ary nanao heloka bevava ara-toekarena . Taorian'ny ady teny amin'ny fitsaràna nifanaovan'ireo mpisolovava azy sy ny rafi-pitsaràna maoritaniàna, ny Desambra 2023 izy dia voampaga hifonja dimy taona, sazy mihatra, noho ireo raharaha voatanisa, ary hatramin'ny fanagiazana ny fananany sy ny fanesorana ny zo sivika ananany .
Tamin'ny Desambra 2023, niampanga fisiana fitsaràna ara-pôlitika ary nanao fampakarana ho fandravàna didy ireo mpisolovava an'i Ould Abdel Aziz. Tamin'ny Febroary 2025, ny fanapahana farany navoakan'ny fampanoavana dia nitaky 20 taona an-tranomaizina . Io sazy io izay ny niafaràny dia nahena ihany tamin'ny 14 May 2025: araka izany, voaheloka higadra 15 taona an-tranomazina, sazy mihatra, ilay filoha teo aloha.
Mankany amin'ny fiafaràn'ny fepotoana fitondrana tsy misy fetra ve?
Marobe ireo Afrikana mpanao pôlitika no mirona mankany amin'ny fanalavàna tsy hisy fetra ny fepotoana fitondran'izy ireo ny fireneny, amin'ny fametrahany ny tenany eo imason'ny rehetra ho toy ny mpitarika tsy misy mahasolo. Tamin'ny May 2025, Deutsche Welle (DW) dia namoaka lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “ Pourquoi les dirigeants africains s’accrochent au pouvoir ” (Nahoana no mamikotra eo amin'ny fitondràna ireo Afrikana mpitondra), ka tao anatin'izany no nananganany ny lisitr'ireo filoha afrikana marobe izay indraindray nitondra am-polo taona maro: Teodoro Obiang Nguema (45 taona nitondràna an'i Ginea Ekoatôrialy); Paul Biya , (42 taona nitondràna an'i Kamerona); Denis Sassou-Nguesso (27 taona teo amin'ny fitondràna); Paul Kagame (25 taona teo amin'ny fitondràna); Faure Gnassingbé (20 taona teo amin'ny fitondràna), ary Alassane Ouattara (14 taona nitondràna an'i Côte d'Ivoire). Ito farany, na mbola tsy nanambàra ny faniriany indray hitady fepotoana fitondràna faninefany aza, dia mitoetra ho mpifaninana manana ny lanjany amin'ny fifidianana filohampirenena hatao ao Côte d'Ivoire. Ny taona 2025, ireo filoham-panjakana voatanisa ireo dia samy mbola eo amin'ny toerany avokoa.
Ity fironana manan-tantara hamikitra amin'ny fahefana amin'ny fomba rehetra ity, na hanitsakitsahana ny lalàm-panorenana aza, dia toa toherin'ireo fiarahamonina afrikana izay mandà hanome fitokisana an-jambany an'ireo mpitarika nofidiany satria ny rafi-pitantanana ankehitriny dia tsy ahitàna soritra ny famaliana ny hetahetam-bahoaka no sady mampametra-panontaniana momba ny maha-azo itokiana ireo fenitra demaokratika .
|
https://mg.globalvoices.org/2025/07/02/175028/
|
Saron'ny ‘loton-drivotra maro fiaviana’ avy amin'ny vovok'i Sahara sy ny doro tanety Kanadiana ny ao atsimon'i Frantsa
| 2025-07-02T08:01:10
|
Unknown
|
Trangan-toetrandro isidinan'ny fasika avy any an-taniefitr'i Sahara avaratr'i Afrika any amin'ny Ranomasina Mediterane, manova ny lokon'ny lanitra ho volomboasary any atsimon'i Frantsa, anisan'izany ny Alpes, araka ny asehon'ity sary ity. Pikantsary avy amin'ny YouTube.
Tamin'iny volana Jona iny, iharan'ny fahalotoan-drivotra mahery vaika avy amin'ny toerana tsy mahazatra ny faritra atsimon'i Frantsa , namadika ny lanitra ho lalambe migodàna maneran-tany izay ifangaroan'ny zavona avy amin'ny doro tanety mahery vaika any Canada mamakivaky an'i Atlantika sy ny tafio-drivotra feno vovoka avy any Sahara miala avy any Afrika Avaratra. Nandritra ireo andro ratsy indrindra tamin'ny tapaky ny volana jona, nahatratra haavo teo anelanelan'ny 130 sy 150 ny Tondron'ny Kalitaon'ny Rivotra (AQI) tao Marseille — heverina ho tsy mahasalama ho an'ny vondrona marefo — raha oharina amin'ny haavo tamin'ny fahavaratra mahazatra, izay matetika eo anelanelan'ny 40 sy 60.
Nanomboka volana Mey, nisy doro tanety mahery vaika tao Canada Afovoany, indrindra tany Manitoba, Saskatchewan ary Alberta. Ao Manitoba fotsiny, mbola tsy maty ny doro tanety miisa 27, anisan'izany ny lelafo goavana teo akaikin'i Flin Flon sy Sherridon, izay nahamay tanety maherin'ny 300.000 hektara tamin'ny fiandohan'ny volana Jona fotsiny. Tao anatin'ny andro vitsivitsy, nitsofoka nianavaratra ny afo, ka niteraka ahiahy fa mety hitambatra ao anatin'ilay antsoin'ny manam-pahaizana hoe “ Giga-fire ” ny lelafo — tranga tsy fahita firy izay andevonan'ny lelafo iray hatramin'ny 400.000 hektara mahery.
Pika sarintanin'ny doro tanety any Canada avy amin'ny Canadian Interagency Forest Fire Centre tamin'ny 12 Jona 2025. Misedra doro tanety “tsy voafehy” ny ankamaroan'ny faritra avaratr'i Canada. Sary avy amin'ny Situation Report.
Mifoka fifangaroana setroka tsy fahita firy vokatry ny doro tanety, ny vovoka ao Sahara ary ny ôzôna ireo Marseillais , mponina ao an-tanàna. Nihamafy ny fiantraikan'ity trangam-pandotoana miampita kontinanta ity nandritra ny volana Jona. Ny niandoha tamin'ny poti-javatra manify misavoana avy amin'ny doro tanety any Canada no nivadika ho antsoin'ny manampahefana eo an-toerana hoe “ loto avy amin'ny loharano maro ”, tafio-drivotra mpandoto goavana. Raha miaina tsy tapaka ireo vovoka mandalo vetivety avy ao Sahara i Marseille, dia nisongadina ity indray mandeha ity noho ny setroky ny doro tanety nitranga manerana an'i Atlantika — fifangaroana tsy fahita firy izany. Araka ny filazan'ny AtmoSud , lasa miha-matetika sy mihamafy kokoa ity zava-boalaza farany mifangaro ity rehefa mihalava kokoa ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny vanim-potoanan'ny fahamaizana.
Ity misy lahatsary amin'ny teny Frantsay manazava ny olan'ny rivo-bovoka Sahara any amin'ny faritra Mediterane.
Nandefa fampandrenesana fandotoana haavo faha-2, izay mety ho avo indrindra ny Prefektioran'i Bouches-du-Rhône , manampahefanam-panjakana miahy ny filaminam-bahoaka tamin'ny 13 jona, satria nandrakitra fifangaroana mampidi-doza ahitana poti-javatra manify, ôzôna, ary vovoka an-tany efitra hafa tonga avy any Afrika Avaratra ny fanaraha-maso ny kalitaon'ny rivotra .
Pikantsary amin'ny sarintany fandotoana OpenAir ao Bouche du Rhöne, departemanta misy an'i Marseille. Mampiseho ny sarintany fa miatrika ny kalitaon'ny rivotra “ratsy” ny ankamaroan'ny faritra atsimon'i Frantsa.
Tsy vahiny amin'ny vovok'i Sahara intsony i Marseille, tanàna iray efa roa arivo taona. Matetika isan-taona, mitondra poti-javatra manify avy any an-tany efitra mianavaratra manerana an'i Mediterane ny rivotra mafana, mandrakotra ny tanàna amin'ny zavona miloko laoranjy ka mampitombo vetivety ny fandotoana, indrindra rehefa mitambatra amin'ny hafanana, ny tara-masoandro sy ny rivotra miandrona – fepetra tsara indrindra hiforonan'ny ôzôna. Ny mampiavaka an'ity tranga ity dia ny sosona fanampiny amin'ny setroky ny doro tanety Kanadiana, manangona loharanon-doto iray eo ambonin'ny iray hafa.
Pikantsary mampiseho ny haavon'ny loto ao Marseille tamin'ny 12 Jona 2025. Pikantsary tao amin'ny YouTube.
Nitatitra ny AtmoSud , mpandinika ny kalitaon'ny rivotra ao amin'ny faritra fa nihoatra ny fenitry ny fiarovana ara-pahasalamana ofisialy ny haavon'ny loto ao Marseille nandritra ny efatra andro nisesy, manampy amin'ny risika ara-pahasalamana, mampitombo ny aretin'ny taovam-pisefoana. Mety hiharatsy ny sohika, hiteraka areti-pisefoana, hanampy trotraka ny aretin'ny fo, indrindra eo amin'ny ankizy, ny zokiolona, ary ny olona manana toe-pahasalamana marefo, ary mampitombo ny mety hahafeno hika ny hôpitaly ny fiparitahan'ireo poti-javatra manify manana haavo ambony (PM2.5 sy PM10) sy ôzôna ireo.
Manoloana ny fiharatsian'ny fiparitahana maharitra, nametra ny fifamoivoizana ao amin'ny Faritra Mandefa ôzôna iva (ZFE) ny manam-pahefana any Marseille, ka ireo fiara tsy mandoto ihany no afa-mandeha. Nahena 20 kilometatra isan'ora ny fetran'ny hafainganam-pandeha eny amin'ny arabe lehibe noho ny tsy fahitana firy, ary tsy navela tamin'ny fomba ofisialy ny fivoahana an-kalamanjana .
Satria miakatra ny maripàna maneran-tany, mamadika ny fahalotoan'ny rivotra ao an-toerana ho fandrahonana miampita kontinanta ireo fisehoan-javatra mifanosona ireo. Ho an'ireo tanàndehibe amorontsiraka toa an'i Marseille, izay efa tratran'ny onjan'ny hafanana, ny haintany ary ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina, na dia ny voina any lavitra aza dia mivantana any amin'ny rivotra iainan'ny olona.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/06/26/174946/
|
Nofinofin-koavin'ny tanora Afrikana tapaka tarangana eny ambava adin'ny Rosiana sy ny Okrainiana
| 2025-06-26T04:24:08
|
Unknown
|
Eo amin'ny sary, Dosseh Koulekpato, Mpianatra togoley iray azon'ny vondro-tafika okrainiana ; pikantsary tao amin'ny YouTube United24
Nanomboka ny volana Febroary 2022, nanjary lasa ady iraisampirenena haingana ny fananiham-bohitry ny tafika Rosiana ao Okraina, ; izay namela fiantraikany goavana hatrany Afrika. Naneho tsy fiandaniana na tamin'ny andaniny na tamin'ny ankilany ny ankamaroan'ireo mpitondra afrikana teo anatrehan'izany, saingy tsy hita ho afenina ny fanohanan'ny tanora Afrikana sasantsasany na an'i Okraina, na an'i Rosia.
Tamin'ny volana Marsa 2022, i Ottah Abraham, tanora nizeriana anankiray 27 taona, tsy nitsanga-menatra naneho ny fahavononany hiara-dia amin'i Okraina hifanandrina amin'i Rosia. Ampahandahatsoratr'i BBC Afrique , tamin'ny fotoan'androny tamin'izany, nilazan ‘i Ottah Abraham ny hoe :
Nous savons que c'est la guerre, ce n'est pas un jeu d'enfant. Mais être un soldat en Ukraine serait mieux que d'être ici. Je serai probablement autorisé à rester si la guerre se termine, en plus je serai un héros et je combattrai un ennemi indéniable.
“Fantatray fa ady izao, tsy sanatria kilalaon-jaza. Tsara kokoa ny lasa miaramila any Okraina noho ny eto. Mety afaka ny hijanona any aho rehefa mifarana ny ady, no sady ho lasa maherifo hiady amin'ny fahavalo tsy azo tsinontsinoavina.”
Imbetsaka ireo haino aman-jery afrikana no nitatitra ny fandraisana tanora Afrikanina ho amin’ny ady. Nisy lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Radio France Internationale (RFI) tamin’ny volana marsa 2022, mahakasika ny fanehoan-kevitr'ireo manampahefana senegaley manoloana ny fanambaràna (izay nofafàna indray) momba ny fandraisana an-tsitrapo nataon’ny masoivohon’i Okraina tao Sénégal, izay navoakany tao amin’ny pejiny Fesiboky . Nanamarika tamin’izany ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny senegaley fa hoe:
… que le recrutement de volontaires, mercenaires, et combattants étrangers sur le territoire sénégalais est illégal et passible de peines prévues par la loi.
“… ny fandraisana ireo mpirotsaka an-tsitrapo, mpikarama an'ady, sy mpitolona vahiny eto Sénégal dia voararan'ny lalàna no sady iharan'ny sazy araka ny lalàna mifanandrify amin'izany.”
Mbola maro anefa ny tsaho nielipatrana mahakasika io fandraisana mpiady io tany amin'ny tanàna hafa, fa nandà malaky izany ny diplomasia Okrainiana sy Rosiana. Tsy nitsahatra nitady ny fomba rehetra handraisana Afrikana ho anisan'ny miaramila hiady ho azy anefa i Rosia. Anisan'ny kinendrin'i Moskoa amin'izany ireo mpianatra Afrikana mipetraka ao amin'ny tanin'i Rosia.
Fandrika ara-pitantanam-panjakana rosiana
Raha ho an'ny ankamaroan'ny tanora Afrikana, matoa mifindra monina mankany Eoropa dia ny mba hahazoana fepetra tsara indrindra na resaka fianarana, na fiainana na fomba hahazoana vola ihany koa, izany koa anefa no mahatonga ny safidin'ny hafa sasany handranto fianarana any Rosia, izay matetika mihitsy aza tohanan'ny fanjakana Rosiana ara-bola.
Kanefa ny governemanta Rosiana koa dia malaza amin'ny resaka fitantanana feno kolikoly , izay entiny hanararaotana ireo teratany vahiny, na io mpifindra monina ara-toekarena na io mpianatra vahiny.
Manjary lasa fanararaotam-pahefana indraindray ny fanavaozana visa efa ho lany daty, izay anomen'izy ireo toky fa ho vita malaky raha toa ka manaiky handeha hiady ao ambava ady okrainiana, araka ny lahatsoratr'i Bloomberg sy i Kyiv Independent nanomboka ny taona 2024. Nolavin'i Rosia anefa izany fiampàngana azy izany, fa nisy fijoroana vavolombelona nanaporofo fa tena nisy tokoa izany fomba izany ny taona 2025.
Izany no nahazo an'i Dosseh Koulékpato , nohamarinin'ny gazety Le Monde, sy Malick Diop , ary mbola nohamafisin'i BBC ihany koa.
Ao anatin'ity horonantsary navoaka tao amin'ny tambajotra YouTube an'ny United24 ity, sehatra iray natsangan'ny governemanta Okraniana tamin'ny taona 2022 entina hanagonam-bola sy hifampizaràna vaovao, natao fanadihadiana tamin'ny teny frantsay, ary mitantara ny lalana nodiaviny i Dosseh Koulékpato , mpianatra Togoley iray 27 taona, tovolahy iray voasambotry ny tafika okrainiana tamin'ny volana Febroary 2025. Taorian'ny tsy nahazoanay alàlana hijanona amin'ny firenena hafa, tapa-kevitra ny ho lasa mpianatra ofisialy ao Rosia ny tenany. Vetivety monja anefa, nisy nifandray taminy hanao sonia taratasy amin'ny teny Rosiana – izay fiteny tsy hainy akory – hay taratasy fanekena hiditra ho isan'ireo tafika Rosiana ilay nosoniaviny. Taorian'izay nalefan'izy ireo hiaro ny sisintany izy, ka voasambotry ny Okrainiana ary nogadrainy.
Mpiantara senegaley 25 taona i Malick Diop, isan'ireo nosamborin'ny tafika Okrainiana ny volana aprily 2025. Nandeha ny fanairana mahakasika io nahasamborana mpianatra teratany senegaley io, izay naparitaka tamin'ny alàlan'ny pejy Facebook tao amin'ny kaontin'ny ady ao Okraina :
Nanambara i Diop fa antony nahatonga azy ho isan'ny tafika Rosiana ny tsy fahampian'ny hoentiny manana handehanana ho any Alemaina, araka ny tatitry ny BBC Afrique izay nifandray tamin'ireo havan'i Malick Diop, toy izany koa ny momba an'ilay mpianatra senegaley iray niaraka taminy.
On s'est connu avant d'aller en Russie parce qu'on avait postulé tous les deux pour une Bourse d'études offerte par la Russie au Sénégal. Nous avons eu la chance d'être sélectionné et nous avons fait la procédure ensemble jusqu'à notre voyage en Russie. C'est une fois en Russie que notre relation a évolué, nous sommes devenus très proches, comme des frères je peux dire.
“Nifankafantatra izahay talohan'ny nandehanana ho any Rosia satria niara-nangataka vatsim-pianarana natolotr'i Rosia tao Sénégal. Nanam-bitana ka isan'ireo voasarika izahay tamin'izany ary niara-nanatanteraka ireo dingana rehetra mandra-pahatonganay tany Rosia. Nony tonga tany, vao maika nihamafy ny fifandraisanay ka niha-nifanakaiky izahay, toy ny mpirahalahy mihitsy raha izay no azo ilazàna azy.”
Manantena ny fanampian'ny manam-pahefana senegaley, ny fianakavian'i Malick Diop hamerenana ny zanany an-tanindrazana.
Ny fanehoan-kevitry ny manam-pahefana Afrikana
Any Togo, tsikaritra ny nahababo an'i Dosseh Koulékpato . Niantso ny fandraisan'ny manam-pahefana togoley andraikitra ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona mahakasika io raharaha io. Ohatra amin'izany ny Mouvement Martin Luther King (MMLK). Araka ny fanambaràna, notononin'ny fampahalalam-baovao Plume d'Afrique , ny 17 Marsa 2025, dia hoe efa nampilaza ny manam-pahefana Togoley izy :
(…) le MMLK a été informé de la triste nouvelle avec des preuves à l’appui. Aussitôt, le Chef de l’État Togolais et le Ministre des Affaires ont été saisis pour toutes fins utiles. Le MMLK demande aux autorités togolaises de s’engager avec les autorités ukrainiennes pour sauver la vie à notre compatriote.
“(…) Nampahafantarina mahakasika io vaovao mampalahelo io niaraka tamin'ny porofo mavesa-danja ny MMLK. Avy hatrany dia nifandraisana ny Filoham-pirenena Togoley sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny hitady vahaolana. Nangataka ny manam-pahefana Togoley ny MMLK mba hifampiraharaha amin'ny manampahefana okrainiana hamonjena ny ain'ireo mpiray tanindrazana aminy.”
Raha mbola tsy nahenoana fanehoan-kevitra mihitsy hatramin'izao ny senegaley, namaly ny antson'ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena etsy ankilany ny manampahefana Togoley. Nanambara ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny tao amin'ny fanambarana an-gazety Nouvel Angle tao amin'ny lahatsoratra iray :
Les autorités togolaises ont été saisies de cas de ressortissants togolais capturés et détenus par les forces ukrainiennes alors qu’ils participaient à des opérations militaires aux côtés des forces armées russes dans le cadre du conflit actuel.
Le ministère en charge des affaires étrangères travaille activement avec certains partenaires diplomatiques, à faire toute la lumière sur cette situation et apporter dans la mesure du possible, l’assistance nécessaires aux personnes concernées.
“Nampandrenesina ny manampahefana Togoley mahakasika ny tranga misy, tahaka ny fisamborana teratany Togoley izay notazonin'ny tafika Okrainiana kanefa nandray anjara tamin'ny hetsika ara-miaramila niaraka tamin'ny tafika Rosiana amin'ny ady misy ankehitriny.
Miara-miasa amin-kafanam-po ny ministeran'ny raharaham-bahiny sy ny mpiombon'antoka diplomatika, mba hitady ny fomba rehetra araka izay azo atao, hanohanana ireo rehetra voakasika amin'izany.”
Ny endrika fandrebirebena rakofan'ny ny vatsim-pianarana Rosiana
Anisan'ny mahatonga ny tanora maro hitady vatsim-pianarana any ivelany mba hanatsarany kokoa ny fiainany ny fahantrana, ny firongatry ny isan'ireo tsy an'asa ary ny kolikoly. Saingy tsy azo antoka araka ny eken'ny governemanta ao Togo ireo tolotra vatsim-pianarana rehetra,.
Tao anatin'ny fanambaràna iray, voatonona etsy ambony, nataon'ny ministeran'ny raharaham-bahiny Togoley dia nohamafisiny ny antony handehanan'ireo tanora togoley mankany Rosia hanohy fianarana :
(…) la majorité de ces compatriotes, en particulier de jeunes étudiants, auraient quitté le Togo dans le cadre de prétendues bourses d’études offertes par des structures se présentant comme basées en Russie.
Face à cette situation préoccupante, le ministère des affaires étrangères appelle les citoyens notamment les jeunes désireux de poursuivre leurs études à l’étranger à la plus grande vigilance.
“(…) ny ankamaron'ireo mpiray tanindrazana amintsika, indrindra indrindra ireo tanora, izay nandao an'i Togo dia noho ny fampanantenana vatsim-pianarana tsy misy akory atolotr'ireo rafitra milaza azy ho miorina ao Rosia.
Manoloana io toe-javatra mampiahiahy io, miantso ny olom-pirenena ny ministeran'ny raharaham-bahiny, indrindra fa ireo tanora voasarik'ity fandehana hanohy fianarana any ivelany ity, ho mailo tanteraka.”
Manentana azy ireo ny ministera hamakafaka lalina amin'ny fangaraharahana mahakasika ny tena fisian'ireo vatsim-pianarana ireo alohan'ny hirotsahana amin'izany :
Il les exhorte à vérifier l’authenticité des offres de bourses avant tout engagement, et à se rapprocher de ses services compétents ou de tout autre ministère concerné, notamment le ministère de l’enseignement supérieur et de la recherche, pour obtenir des informations fiables et sécurisées avant tout départ à l’étranger, en particulier à destination de la Russie.
“Manentana mafy izy hanamarina ny tena fisian'ireo vatsim-pianarana alohan'ny hidirana lalina, ary hifandray amin'ireo sampan-draharaha mifandraika amin'izany na ireo ministera hafa voakasik'izany, fa indrindra ny Minisiteran'ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana, mba hahazoana vaovao azo antoka alohan'ny fandehanana ho any ivelany, indrindra ny mankany Rosia.”
Saingy indrisy, toa tsy hahomby ireo fampitandremana ireo : isan-taona mantsy, an'arivony ireo Togoley mikasa handao ny taniny noho izay hantenainy fa ho vintana fanindroany amin'ny fiainany, ary vonona ny hirisika izy ireo, eny fa na dia hoe hipetraka any amin'ny firenena miady aza.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/07/17/175199/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizarana faha-28
| 2025-07-17T04:26:25
|
Unknown
|
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'i Diana Eyango Officiel .
Tsy voatery hitovy hatrany ny endrika teny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana” izahay manasongadina ireo voambolana na fomba fiteny manavaka ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo izay tsy mety adika ka tazonina ho teny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna saingy miova tanteraka ny heviny indraindray.
Hita ato avokoa ireo fizaràna rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole .
Anio, ireto fomba fiteny sy voambolana telo ireto no nosafidianay:
Aplatventrisme : voambolana fampiasa mahazatra any Québec , vao tafiditra ao amin'ny Petit Larousse 2026 , rakibolana fakàna hevitra ao Frantsa. Matetika soratana hoe à-plat-ventrisme , fomba fitenenana manondro toe-tsaim-panompoana olona mba hahazoana tombontsoa sasantsasany avy amin'izany fihetsika izany. Mamariparitra mazava izany fomba fiasa izany ity rantin'ny gazety gabôney ity :
L’aplaventrisme. Ce mot vient de «s’aplatir» et «ventre». Mais aussi de l’expression «se coucher à plat ventre», exprimant entre autres une attitude de soumission extrême, voire d’humiliation ou de renoncement à sa dignité.
Ny aplaventrisme . Voambolana miainga amin'ny «s’aplatir» na manafisaka sy «ventre» na kibo. Nefa manondro ihany koa ny fomba fitenenana «se coucher à plat ventre» na mandry mihohoka, maneho fihetsika fanoavana faratampony, hatramin'ny fahafaham-baraka na tsy mandray ny fahamendrehany.
Thanatopracteur : Voambolana tambateny grika roa: “ thanatos ” (θάνατος) na “maty” sy “ praxis ” (πρᾶξις) na “fomba fanao”. Entina anondroana ireo mpikarakara faty alohan'ny fandevenana ny teny hoe “thanatopractor”. Tsy dia fantatra loatra eto Afrika ny anarana anondroana io asa io. Antsoina hoe “ morguiers ” ireo matihanina amin'ity sehatra ity eto amin'ny kaontinanta. Lasa jerena amin'ny fomba tena manokana, araka ny hazavaina ao amin'ity lahatsary natokana amin'ny sehatrasan'ny fahafatesana ao Kamerona ity ireo mpiasa amin'ity sehatry ny fahasalamana ity noho ilay misitery miompana amin'ny fahafatesana:
A la togolaise : fiteny ampiasaina any Togo marika esoeso amin'ny valinteny izay matetika efa fantatra mialoha ny valin'ny fanontaniana iray. Ohatra, rehefa anontaniana amin'ny lehilahy na vehivavy Togoley iray ny hoe “manahoana ianao?”, ny valiny dia hoe “tsara à la togolaise ” na “mandeha à la togolaise aho”. Marina fa mampihomehy ny valinteny amin'izao endriny izao saingy manondro toe-pahasorenana na lonilony ezahina ho mahazatra ao amin'ny tontolon'i Togo.
Raha manana voambolana na fomba fiteny hozaraina ianao ho hita anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org na jean.dedieusovon@globalvoices.org [teny frantsay]
|
https://mg.globalvoices.org/2025/07/05/175102/
|
Atrikasa hampiroboroboana ny fizian'ny teny malagasy anjotra
| 2025-07-05T05:01:38
|
Unknown
|
Notontosaina teto Antananarivo tamin'ny 31 May 2025 ny atrikasa nampitondraina ny anarana hoe Wikiteny , vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny vondro-mpisera Wikimedia Madagascar sy ny Global Voices Malagasy . Tontosa ity atrikasa ity noho ny fanohanana ara-bola avy amin'ny Knowledge Equity Fund ao amin'ny Wikimedia Foundation , izay manohana ireo tetikasa mampitovy tantana ny fahalalàna manerana izao tontolo izao.
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Iray Volan’ny teny malagasy , izay atao isaky ny volana jona, ity hetsika ity. Ny teny malagasy no tenim-pirenen'i Madagasikara ary eo amin'ny 30 tapitrisa eo ny olona miteny izany .
Atrikasa hampiroboroboana ny teny malagasy
Tanjona voalohany tamin’ny atrikasa ny fampiroboroboana ny teny malagasy sy ny fampahafantarana an’i Madagasikara sy ny kolontsainy amin’ny alalan’ny teknolojia nomerika. Nohamafisina ny fampiasana ny Wikimedia ho sehatra fanehoan-kevitra, ary ireo lahatsoratra ao amin'ny Global Voices ho loharanom-baovao azo antoka mba hampanan-karena ny votoaty amin'ity fiteny ity.
Miroso handray anjara
Olona efatra amby roapolo no nandray anjara tamin’ity fivoriana ity, voasolotena ny mpianatra, ny olom-pirenena, ny bilaogera, ary ny mpankafy ny teny malagasy. Nazoto nianatra sy sariaka ny rehetra. Naneho ny fahafaham-pony ireo mpandray anjara ary vonona hanohy manoratra amin'ny teny malagasy ao amin'ny tetikasa Wikimedia .
Maminirina , mpianatra teny malagasy taona faharoa ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, nanao hoe:
J’ai toujours voulu écrire en malgache, mais je ne savais pas par où commencer. Grâce à cet atelier, j’ai découvert Wikipédia comme un espace libre et accessible pour partager nos connaissances. C’est motivant de savoir que ce que j’écris peut être utile à d’autres.
Te hanoratra amin'ny teny malagasy hatrany aho fa tsy fantatro hoe aiza no hanombohana. Noho ity atrikasa ity no nahitako ny Wikipedia ho sehatra malalaka sy azo idirana hizaràna ny fahalalantsika. Mampazoto ny mahafantatra fa mety hahasoa ny hafa ny zavatra soratako.
Nafana fo niresaka momba ny fandraisany anjara i Ny Avotiana Gael , iray amin'ireo mpianatra :
Je suis très satisfait de cet atelier. Je ne savais pas que contribuer sur internet dans ma langue était possible et aussi utile. Maintenant je veux écrire davantage pour montrer la richesse de notre culture.
Tena afa-po amin'ity atrikasa ity aho. Tsy nahalala aho hoe azo tanterahina ary tena ilaina ny mandray anjara amin'ny fiteniko amin'ny aterineto. Ankehitriny aho te-hanoratra bebe kokoa hampiseho ny haren'ny kolontsaintsika.
Indro misy lahatsarin'ny iray amin'ireo mpandray anjara, Rojo Ravaka, izay mizara ny retsika manosika azy handray anjara amin'ity atrikasa ity. Nohazavainy fa amin’ny maha tompon’andraikitry ny serasera azy dia mahasarika azy ity atrikasa ity noho ny fitiavany ny teny malagasy. Fotoana sarobidy ho azy izany mba hanamafisany ny fahaizany manoratra sy hifehezany tsara kokoa ny fiteny. Nahazoana alalana ity horonantsary ity.
Amin'ity horonantsary iray hafa ity Rohy Ramasinatrehana , mpandray anjara iray, maneho ny fahavononany hampiroborobo ny teny malagasy amin'ny aterineto. Nohazavainy fa miainga amin’ny maha zava-dehibe ity fomba fiasa ity no andraisany anjara, satria, araka ny nambarany, dia tsy misy ny mijoro ho tompon’andraikitra amin’ny fomba ofisialy amin’izany. Nampiasaina ity horonantsary ity rehefa nahazoana alalana
Fifaninanana hanentanana ny fandraisana anjara
Fanamarihana ny fanombohan'ny fifaninanana amin'ny fanoratana, fanitsiana, ary fanatsarana lahatsoratra ihany koa ny atrikasa, edit-a-thon (hazakazam-panitsiana)madiorano tontosaina mandritra ny volana Jona ao amin'ny Wikimedia . Asaina hanoratra, hanitsy, na hanatsara lahatsoratra amin’ny teny malagasy araka izay azo atao ny mpandray anjara, mba hanamafisana ny fisian’ny teny Malagasy eo anivon’ny tontolo nomerika.
Amin'ny faran'ny volana Hahazo valisoa rakibolana teny roa frantsay-malagasy ireo mpandray anjara mavitrika sy namokatra lahatsoratra be indrindra ary feno fanoloran-tena.
Fanomezam-boninahitra
Nanome voninahitra ny lanonana ny fanatrehan’i Nalisoa Ravalitera , akademisiana, poeta ary olo-malaza amin’ny fampiroboroboana ny teny malagasy. Nitondra aingam-panahy ho an’ny mpandray anjara rehetra ny fahatongavany.
Lanonana niara-notontosaina amin'ny faritra hafa
Tsy voafetra amin'ny toerana iray ihany ny atrikasa Wikiteny. Niara-nanatontosa izany koa ny faritra efatra teto Madagasikara: Analamanga ( Antananarivo renivohitra), Matsiatra Ambony (any Fianarantsoa ), Boeny (any Mahajanga , tanàna misy seranan-tsambo any amin’ny morontsiraka avaratra andrefana), ary Diana (any Antsiranana ), ahafahan’olona maro kokoa handray anjara. Mampiaty vondrom-piarahamonina isam-paritra bebe kokoa izao fomba fitsinjaram-pahefana izao amin'ny fampiroboroboana ny teny malagasy anjotra ary ahafahana manangona karazam-pomba fijery sy fandraisana anjara bebe kokoa.
Maneho hetsika mivaingana hampiroboroboana ny tenindreny ny atrikasa Wikiteny, ezaka iombonana hitsofohan'ny teny malagasy ao anaty tontolo anjotra manerantany. Ahafahana mitahiry ny vakoka ara-pitenenana sy mampita izany amin'ny taranaka ho avy ny famoronana votoaty amin'ny teny malagasy amin'ny sehatra misokatra toa ny Wikipedia.
Ao anaty tontolom-pifandraisana mihamahazo vahana, dia zava-dehibe ny mitazona ny fahasamihafan'ny fiteny, anatin'izany ny anjotra, satria ny teny anglisy amin'izao fotoana izao no manjaka fijoroana an'aterineto, mahasahana ny mihoatra ny 60 isanjaton'ny tranonkala.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/06/24/174898/
|
Etazonia: fampiatoana vizà ho an'ireo vahiny mpianatra, miantraika koa amin'ireo firenena afrikàna
| 2025-06-24T15:57:34
|
Unknown
|
(Fanamarihana: lahatsoratra frantsay nivoaka tamin'ny 05 Jona)
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube : The Indian Express
Tsy afa-bela ireo mpianatra avy amin'ny firenena afrikàna, isan'ireny i Tôgô, amin'ilay politika vaovaon'ny fitantanan'i Trump mikendry ny hampiatoana ny fanomezana vizà ho an'ireo vahiny mpianatra maniry hankao Etazonia mba hanohy ny fianarany.
Tamin'ny 27 May 2025, toy ny vara-datsaka teo an-tampon-dohan'ireo mpianatra niomana ny handeha ho any Etazonia hanohy ny fianarany ny nilatsahan'ilay fanambaràna . Namoaka didy mampiato ny fikarakaràna vizà ho an'ireo vahiny mpianatra i Marco Rubio , sekreteram-panjakàna amerikàna. Io fanapahankevitra io dia narahana fepetra fanamarinana ny kaontin'ireo vahiny mpianatra teny anaty tambajotra sôsialy. Voatanisa tao anaty lahatsoratra iray an'ny France24 , Tammy Bruce, mpitondra tenin'ny sekreteram-panjakana amerikàna no manazava:
Ny tanjona, araka ny nambaran'ny filoha sy ny sekreteram-panjakana (Marco) Rubio, dia ny hiantohana ny hahatakaran'ireo olona eto ny atao hoe lalàna, tsy hanànan-dry zareo eritreritra hanao heloka bevava.
Nampian'ilay mpitondra tenin'ny sekreteram-panjakana amerikàna fa io fepetra io dia mihatra, na ho an'ireo mpianatra efa ao Etazonia, na ireo izay nametraka fangatahana vizà:
…Raha mangataka vizà ianareo, araho ny zotra mahazatra, ireo dingana ara-dalàna, ary miomàna ny hotsinkafonina.
Sahotaka any amin'ireo firenena afrikàna
Nandritra ny taom-pianarana 2023-2024, mitontaly 56 780 ireo mpianatra avy ao Afrika atsimon'i Sahara no nanjohy ireo oniversite amerikàna, nametraka an'i Etazonia ho fitodiana tena ankafizin'ireo afrikàna mpianatra.
Fa ho an'ity taona ity, anaty fisalasalàna ireo mpianatra momba ny vintany hahazo ilay voantsinampy sarobidy mba hahafahany misidina sy manomboka ara-potoana ireo fianarana amin'ny fararano. Nitafàn'ny Global Voices momba io fampiatoana io, Tôgôley iray mpianatra [mangataka tsy hotononina anarana] no milaza hoe:
Tsy misy na iray aza antony afaka manamarina io fiovàn-javatra nataon'ny fitantanan'i Trump manoloana ireo vahiny mpianatra io, izay tsy mikatsaka afa-tsy ny hanao ny fianarana anaty fepetra mba hanangonany ireo hirika rehetra ho eo an-tànany eo amin'ny tsenan'ny asa. Saingy takatro fa izay rehetra tia ny fireneny sy saro-piaro dia hiaro azy amin'ny ratsy rehetra. Ny vavaka ataoko dia mba hihatsara anaty fotoana fohy ny toedraharaha.
Ho an'i Marceline [anarana tsy azy], tovovavy beninoà mpianatra, io pôlitikan'i Donald Trump mahavoa ny vahiny mpianatra io, dia mandoto ny lazan'i Etazonia ary manokatra ny varavaran'ireo anjerimanontolo hafa manana ny lazany any amin'ireo firenena hafa eto an-tany. Hoy izy tamin'ny Global Voices:
Ny kalitaon'ny fandaharam-pianaran'ny sekoly sy ny mpianatra ao Etazonia no manazava ny fanirian'ireo rehetra mpianatra manerana izao tontolo izao hanohy ny fianarany any amin'io firenena io ary hisitraka , araka izany, ireo hirika tsara indrindra. Kanefa tsy maintsy ekena fa tsy azo atao ny hitaky zavatra tsy efany amin'ny olona iray. Na eo aza ny lazan-dry zareo, mitondra ambony ampanga amin'ny toekaren-dry zareo ihany koa ireo vahiny mpianatra. Amin'izao fotoana izao aho dia mitrandraka faravodilanitra hafa mba tsy hiaina taona fotsy.
Rehefa tsy i Etazonia, marobe ireo Afrikàna mpianatra no misafidy firenena hafa: Kanadà, Fanjakana Mitambatra, Alemaina, Frantsa, Irlandy, Brezila ary hatramin'i Shina mba hanohizan-dry zareo ny fianarany noho ireo hirika maro atolotr'ireo anjerimanontolo any amin'ireo firenena ireo.
Taom-pianarana iray manalasala
Ho an'ny sasany, ny nofinofina vondrompiarahamonina iray manontolo no rava raha toa ka tsy misy torolàlana vaovao tonga hanàla ilay fampiatoana. Toy izany no mahazo an'i Fatou Wurie, tovovavy iray mpianatra avy ao Sierra Leone, mpiomana haka ny doctorat ao amin'ny fakiolten'ny fahasalamam-bahoaka T.H. Chan ao amin'ny anjerimanontolon'i Harvard (Etazonia) voatanisa ao anaty lahatsoratra iray an'ny BBC Afrique . Mba hahatontosa ny nofinofiny, ny fianakaviany manontolo sy ny vondrompiarahamonina misy azy dia nihetsika mba hitadiavana 200.000 dôlara amerikàna ho azy hahafahana mamatsy ny fianarany ao amin'io anjerimanontolo io. Tena very hevitra izy, manazava ao amin'ny BBC Afrique :
Nindrana vola aho, niasa nandritra ny fanomanako ny diplaomako, ary niantoka ireo fandaniana tsy nisy farany – vizà, trano fonenana, fitsaboana. Ankoatra ny vola, misy koa ny sandany ara-pihetsehampo amin'ny filomanosana tsy mitsahatra ao anatin'ireo rafitry ny fifandramonina sy ny fiantohana fa mba hijanona hatrany manaraka ny fenitra izahay ary hankato ireo lalànan'i Etazonia. Mihoatra noho ny vola ny fahataràna tsirairay – andaniana fifantohana sy fiadanan-tsaina izany.
Voatohintohin'ilay toromarika vaovao ny vintan'i Fatou Wurie ho afaka hahazo alàlana hiverina any Etazonia. Manampy izy :
Miteraka fisalasalàna lalina izany. Amin'ny maha-mpanomana doctorat ahy […], miankina amin'ny fahafahana mivezivezy sy ny fitohizan-draharaha ny asako. Tsy ny fianarana ihany no korontanin'ireo fahataràna, manakana hetsika iray izy ireny.
Fiantraikany maharitra
Ny fiantraika maharitr'io pôlitikan'ny fitantanan'i Trump io dia mety ho lasa fampiatoana tanteraka na faneriterena ny vizà ho an'ireo rehetra mpianatra iraisampirenena. Atahoran'i Fatou Wurie ny hisian'ny fiantraikany ratsy be amin'ireo Afrikàna ho mpikaroka any aoriana. Mbola teo amin'ny fandraisampeon'ny BBC Afrique hatrany, hoy izy:
Tena naharary iny. Tsy ho ahy ihany, fa ho an'ireo izay mila izany. Efa tery ho an'ireo Afrikàna mianatra ny varavaran'ny fampianarana eran'izao tontolo izao. Rehefa mikatona izy ireny, milaza amintsika izany fa misy fepetra ny fanatrehantsika.
Eo am-piandrasana ny fanafoanana io fampiatoana io, na ny fanamafisana azy ao amin'ny tany amerikàna, tohizan'ny Anjerimanontolo Havard ny manohitra ny fanapahankevitr'i Trump. Tamin'ny Aprily 2025, nilaza ilay anjerimanontolo fa tsy hanaraka ireo fitakian'ny fitantanan'i Trump. Nanomboka teo, nampiditra dingana ara-pitsaràna ny tao Harvard hanoherana ilay fanapahankevitry ny manampahefana amerikàna. Ny ramatoa iray mpitsara aza dia niteny nanome rariny azy tamin'ny fibahanana ilay didim-pitondrana momba ny fisoratana anarana nataon'ny filoha amerikàna.
Ankoatra io fandraràna io, izay miantraika mivantana amin'ireo mpianatra, dia vao avy navoakan'i Trump ny antontan-taratasy iray mandràra ny fandehanana mankany Etazonia ho ana firenena roambinifolo, ka firenena afrikàna ny fito amin'izany: Tchad, Congo-Brazzaville, Ginea Ekoatôrialy, Eritrea, Libia, Sômalia, Sodàna. Fandraràna amin'ny ampahany ho ana firenena fito hafa, anisan'izany i Borondi, Sierra Leone, ary Tôgô.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/06/09/173282/
|
Tsy Satàna i Esu: Fanentanana Yoruba hanoherana ny fanavakavahana ara-pivavahana
| 2025-06-09T09:46:55
|
Unknown
|
Ireo mpandàla ny fivavahana nentim-paharazana Yoruba nandritra ny diabe “Tsy Satàna i Esu” tao Osogbo. Saripikan'i Iyanifa Egletunmise, nahazoana alalana.
Tamin'ny 24 Desambra, ireo mpandàla ny finoana nentim-paharazana Yoruba dia nidina an-dalambe tao Lagos renivohitr'i Nizeria, ao Osogbo, ary tany amin'ireo tanàndehibe manerana izao tontolo izao hanohitra ny hadisoana ara-tantara izay niteraka fanavakavahana ara-pinoana nandritra ny taonjato maro. Hita teny an-dalambe ireo mpandàla ny nentin-drazana, nanao akanjo lava ary nitazona takelaka sy famantarana nahitana sora-baventy. Nandritra ny taonjato maro, irao mpandàla ny finoana avy tamin'i Abraham dia nampitovy ny andriamanitra Yoruba iray antsoina hoe Esu (antsoina koa hoe Eshu ) amin'i Satàna, izay heveriny ho toy ny devoly hita vatana sy fahavalon'Andriamanitra ao amin'ny finoana Silamo, ny Kristianisma ary ny Jodaisma. Vondrom-poko iray manandanja ao Afrika andrefana ny Yoruba, ahitàna olona marobe any Nizerià, Benin sy Tôgô, ary any am-pielezana manerana ny tany. Maro ny olona Yoruba no manaraka ny fivavahana nentim-paharazana Yoruba.
Ireo mpandàla ny finoana nentim-paharazana ireo dia nandefa ny fampielezan-kevitra tamin'ny onjam-peo sy ny fahitalavitra nanerana an'i Nizeria ary nizara votoaty tamin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao sosialy tamin'ny tenifototra #TsyiSatanaiEsu mba hisarihana ny saina momba ilay diabe:
Will you be there? #esuisnotsatan #december24 #africashrine pic.twitter.com/ch8JP6gbLl l
— BABA AJISEFA (@ILE_AJISEFA) December 1, 2024
Ho any ve ianao? #TsySatànaEsu #desambra24 africashrine pic.twitter.com/ch8JP6gbLl — BABA AJISEFA (@ILE_AJISEFA) 1 Desambra 2024
Nisy lahateny ho an'ny daholobe natao tao Osogbo sy Lagos , Nizerià. Ny fanentanana dia natao ihany koa tany amin'ireo firenena toa an'i Meksika , Espaina , Etazonia ary faritra hafa misy Afrikanina am-pielezana izay misy marobe ireo mpandàla ny finoana nentim-paharazana Yoruba.
Ny fototry ny lesoka ara-tantara
Tamin'ny 1860, ny Eveka Samuel Ajayi Crowther , eveka afrikanina voalohany tao amin'ny Fiangonana Anglikanina, dia notendren'ny Fikambanan'ny Asa fitoriana Kristiana handika ny Baiboly Masina ho amin'ny fiteny Yoruba mba hahafahan'ny vahoaka Yoruba mamantatra ny filazantsara amin'ny fitenin-drazany.
Tena zava-dehibe ny asany, satria nila namorona endri-tsoratra ho ana fiteny iray izay tany aloha tsy nisy afa-tsy tamin'ny endrika am-bava ihany. Niasa nandritra ny androm-piainany ny eveka Crowther mba hampanara-penitra ny fiteny Yoruba sy ireo fiteny Afrikana hafa toy ny Nupe sy ny Igbo . Tsy ny fandikana ny Baiboly ihany no vitany ; nanambatra ny rakibolana Yoruba voalohany ihany koa izy ary namoaka ny boky fitsipi-pitenenana Yoruba tamin'ny taona 1843.
Raha nandika ny Baiboly i Crowther, dia nanao hadisoana izay nahatonga ny fanavakavahana ara-pivavahana nandritra ny taonjato maro. Esu no anarana nanondroany an'i Satàna. Io fanondrona io dia naneho ny andriamanitry ny Yoruba ho toy ny endriky ny ratsy, toa an'i Satàna. Tsy toy ny fivavahana Abrahamika, izay mametraka matetika ny ratsy sy ny tsara ho hery mifanohitra, fa ny tontolon'ny fivavahana Yoruba dia mahita azy ireo ho toy ny hery mifameno. Esu no andriamanitra miandraikitra ny fifehezana sy ny fandrindràna ireo hery eto an-tany. Ireo mpino Yorubas dia mino fa tsy tsara na ratsy tanteraka ny zavatra iray; ary ny zavatra tsara dia mety ho teraka avy amin'ny zavatra ratsy, ary ny zavatra ratsy mety ho tonga avy amin'ny trangan-javatra tsara.
Miady amin'ireo hevi-diso
Na dia 140 taona taorian'ny nivoahan'ny dikanteny manontolon'ny Baiboly Yoruba nataon'i Crowther aza, dia mbola miparitaka hatrany ny hevi-diso iheverana an'i Esu ho Satàna. Nampita io fitantaràna diso io ihany koa ireo kolontsaina malaza sy ny haino-vaky-jery. Rehefa nahita ny fiantraikany ratsy tamin'ny fivavahan-dry zareo, dia nisy andiana mpandàla nentim-paharazana nanomboka fanentanana iray tamin'ny taona 2014 mba hanitsiana ilay lesoka amin'ny alàlan'ny fanondroana ny 24 Desambra ho andro iray hanabeazana ny vahoaka momba ny fivavahana sy ny kolontsaina Yoruba.
Namaly tanaty resaka WhatsApp niarahany tamin'ny Global Voices tamin'ny 28 Desambra 2024 i Akanbi Ifadola Afofun, izay mpandàla nentim-paharazana sy mpandraharaha monina ao Lagos, Nizerià, nizara hevitra momba ireo hevi-diso mahakasika an'i ESU sy ny fanentanana #TsySatànaEsu.
Abdulrosheed Fadipe (AF): Ahoana ny fahatsapanao ny fanehoana an'i Esu eny anivon'ny kolontsaina malaza sy haino-vaky-jery?
Ifadola Afofun (IA): Mampalahelo ahy ireo vahoaka Yoruba noho ilay fomba nanehoana an'i Esu teny anaty haino-vaky-jery. Ampahany amin'ny zavatra ataoko ny fanabeazana mavitrika ny olona momba ny maripamantarana sy ny maha-zava-dehibe an'i ESU mba hahafahan'izy ireo mahatakatra fa tsy mitovy amin'i Satàna i Esu. Esu no andriamanitra izay mitarika ny fidirana, ny fivoahana, ny sampanan-dàlana ary ny tsena ao anatin'ny tontolo Yoruba. Sady tsy ratsy no tsy tsara tanteraka no amaritana azy. Manasazy ireo izay mandika ny lalàna kosmika i Esu. Raha ny tena izy, heverina ho irak'i Orunmila izy, i Orisha izay nitondra ny tenin'i Olodumare ho an'izao tontolo izao. Ezahanay ny hampitsahatra ireo fiheverana diso momba an'i Esu eny anivon'ny haino-vaky-jery.
AF: Afaka mizara ny zavatra niainanao manokana tamin'ny hevi-diso momba an'i Esu ho toa an'i Satàna ve ianao?
IA : Rehefa niha-lehibe aho dia niatrika ireo hevi-diso momba an'i Esu noho ny fifangaroan'ny ara-panahy Yoruba amin'ny fotokevitra ara-pivavahana tandrefana. Matetika nampitoviana tamin'i Satana i Esu, tsy fahatakàrana izay nisy fiantraikany ratsy teo amin'ny fifandraisako tamin'io andriamanitra nohajaina fatratra io.
AF: Inona ireo tena inoanao momba ny anjara toeran'i ESU ao amin'ny kôsmôlôjia Yoruba? Inona no tsy itovian'i Esy amin'ny foto-kevitra momba an'i Satàna ao anatin'ny fivavahana Abrahamika?
IA: Tsy mpahairaha manokana momba ny Baiboly aho, fa raha mijery ny fomba namaritan'ny Baiboly an'i Satàna ho ilay miady foana amin'ny andriamanitr'i Abrahama, dia mino aho fa tsy misy zavatra itovizan'i Esu amin'ilay Satàna ao anatin'ny fivavahan'i Abrahama. Tsy miady fihamboniana amina fahefana ambony kokoa i Esu. Ny Esu-nay manokana dia ilay endrika izay mitazona ny lalàna sy ny firindràna ao anatin'ny tontolo kôsmika. Antsoinay hoe polisy i Esu. Fahadisoan'ny eveka Ajayi Crowther, ilay lehilahy nandika ny Baiboly ho amin'ny fiteny Yoruba, no nahatonga izany hevi-diso izany.
AF: Inona no nanentana anao handray anjara amin'ny fanentanana #TsySatanaiEsu?
I A: Ny nanosika ahy handray anjara amin'ilay fanentanana dia ny fahatsapako fa tsy marina sy mamitaka ny betsaka amin'ny fandikàna ireo foto-kevitra Yoruba ho amin'ny fiteny anglisy. Ny zavatra iray hafa izay nanosika ahy dia ny filàna maika ny fitehirizana ny fiteny sy ny kolontsaina Yoruba. Ankoatra izay koa dia pretra Ifa aho, avy amin'ny taranaka mpanaraka an'i ESU.
AF: Ahoana no fiantraikan'ilay fanentanana tamin'ny fahitàna ny finoana sy ny kolontsaina Yoruba, na ao Nizeria na any am-pielezana?
IA: Nisy fiatraikany lehibe tamin'ny fivavahana sy ny kolontsaina Yoruba ny fanentanana #TsySatanaiEsu . Ohatra iray tsara amin'ny fiantraika miabon'ilay fanentanana ny fomba nanovàn'ny Google, ilay milina fikarohana be mpampiasa indrindra, ny fanehoana sy ny fandikana ny Esu. Tsy maintsy lazaiko ny anaran'i Oluwo Solagbade PoPoola, ilay lehilahy nanomboka ny fanentanana, folo taona lasa izay. Hatramin'ny niandohan'ny fanentanana, dia nisy fitomboana be ny isan'ireo olona niova nanaraka ny fivavahana nentim-paharazana Yoruba. Ny tenifototra #TsySatanaiEsu no tena nalaza indrindra tao amin'ny Twitter tamin'ny 24 Desambra. Marobe ny olona mikatsaka indray izay hifandraisany amin'ny loharano nipoirany. Ilay fanentanana dia nanokatra ihany koa ny mason'ireo mpandàla ny nentim-paharazana Yoruba momba ny maha-zava-dehibe ny fampiroboroboana ny finoany.
AF: Inona avy ireo fanamby natrehanareo tamin'ny fampahafantarana ity olana ity?
IA: Tsy mora izany. Ny iray amin'ireo fanamby dia ny tsy fahampian'ny fanohanan'ny governemanta amin'ny fampidirana ny fampahalalana marina momba ny rafitra ara-pinoana Yoruba ho ao amin'ny fandaharam-pianarana. Nahafahan'ireo hevi-diso ho tafiditra tany amin'ireo taranaka tanora izany. Na fitaovana nanampy aza ny haino aman-jery sosialy, namahàna ny fototry ny olana, mbola mitoetra ho fanamby lehibe ny fandaharam-pianarana. Miasa amin'ny fanovàna ny fandaharam-pianarana izahay mba hanehoana tsara ny fahitàna ny tontolon'ny Yoruba.
AF: Ahoana no iheveranao fa nisy fiantraikany tamin'ny fifampiresahana sy ny fifandeferana ara-pinoana ilay fanentanana?
IA: L asa mandefitra kokoa amin'ireo mpandàla ny nentim-paharazana n y sasany amin'ireo mpanaraka ny finoan'i Abrahama. Natsahatry ny sasany amin'ireo mpitory ny fampitoviana an'i Satana amin'i Esu. Hitanay ny fitomboan'ny fomba fandraisan'ny olona ny kolontsaina Yoruba amin'ny alàlan'ny fampiasàn-dry zareo ilay fiteny sy ny fomba fitafiny. Haintsika fa tsy ho vita ovaina ao anatin'ny andro iray ny hevi-diso, fa mankàny tsikelikely isika.
Ity misy lahatsary iray misy an'ireo mpandàla ny nentim-paharazana nandritra ilay diabe an-tongotra tao Lagos.
Antenain'ireo mpandàla ny nentim-paharazana fa ity fanentanana ny daholobe ity dia hanampy amin'ny fampihenana ireo hevi-diso ary hitarika ny fifandeferana ara-pivavahana.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/06/20/174999/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #27
| 2025-06-20T04:55:23
|
Unknown
|
Andiana Almajiri ao Nizerià ; pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Journeyman Pictures
Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna saingy miova tanteraka ny heviny indraindray.
Hita eto avokoa ireo fizaràna rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole .
Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay:
Gamín Ity voambolana espaniôla kôlômbiàna ity, soratana miaraka amin'ny tsindrimpeo mafy atao eo amin'ny “i” ary tononina hoe “gamine” dia ampiasaina hanondroana ireo zanaky ny làlana – amin'ny ankapobeny dia ny zazalahy, matory eny amin'izay azony hatoriana, mivenjivenjy manerana ny tanàna, mangalatra na mangataka mba hivelomana, mameno ireo fivorivoriana lehibe toy ny lalao baolina kitra, mandeha fiara fitateram-bahoaka tsy manefa sarany.
Ity horonantsary fanadihadiana fohy ity dia mampiseho “gamín” iray ao Bogota, renivohitr'i Kôlômbia.
Surtourisme Ity voambolana ity dia manoritra tranga iray fantatra tsara, saingy vao natsofoka ao anatin'ny rakibolana Petit Robert, taona 2025 . Fandikàna ilay fomba fiteny anglisy “ overtourism ” izy io, izay ampiasaina amina toejavatra ahitàna fizahantany tafahoatra miafara amin'ny fanimbàna ny kalitaon'ny fiainan'ireo mponina eo an-toerana, na ny zavaboary eo an-toerana. Marobe ireo hetsika manilika ny “ surtourisme ” (fizahantany tafahoatra) izay heverin-dry zareo ho toy ny endrika iray amin'ny fananiham-bohitra ary mitaky pôlitika miaro ny fomba fiainan-dry zareo.
Hazavain'ity tatitra ity ny trangana “ surtourisme ” ao Provence:
Almajiri ity voambolana mpifindrafindra toerana ity dia isan'ireo voambolana teraka avy amin'ny fiteny haoussa , ifampiresahan'ireo olona maherin'ny 55 tapitrisa ao Afrika Andrefana, ary ampiasaina amin'io endriny io tsy nasiana fandikàna amin'ny fiteny frantsay. Na izany aza, io voambolana io dia nindramina avy amin'ny fiteny arabo: مُهَاجِر muhājir midika hoe « mpifindra monina ».
Almajiri amin'ny fiteny “haoussa” dia manondro ireo ankizy any amin'ireo sekoly kôranika, indrindra fa ao Nizerià. Ireny ankizy ireny, amin'ny ankamaroan'ny tranga misy, dia mpangataka sy tsy mahay mamaky teny na manoratra, izay sahirana mafy miditra ho isan'ny fiarahamonina. Ny sasany amin-dry zareo dia amin'ny alàlan'ny fampianarana ara-pivavahana no mahita làlana, ny hafa mijanona eny an'arabe, ary mazàna no lasa lasibatra tena ankafizin'ireo vondrona mahery fihetsika.
Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org ou jean.dedieusovon@globalvoices.org
|
https://mg.globalvoices.org/2025/06/12/174952/
|
Ao Nizera, ny “haoussa” no misolo ny frantsay ka lasa fiteny ôfisialy, anaty dingana fanamafisana ny fiandrianam-pirenena
| 2025-06-12T04:45:44
|
Unknown
|
Ny tsena lehibe ao Niamey (renivohitr'i Nizera) ; pikantsary avy ao amin'ny fantsona YouTube an'ny Sky Travel
Ao Nizera, tamin'ny Martsa 2025 teo dia verin'ny fiteny frantsay ny sata noterena haha-fiteny ôfisialy azy hatrany amin'ny vanimpotoana fanjanahantany, novaina ho ny fiteny “ haoussa ” izay ifampiresahan'ny antsasaky ny vahoaka. Tsy dia lanin'ny vavonin'ny vahoaka ao Nizera loatra io fanapahankevitra io, ao anatin'ny fihenjanana diplaomatika misy aminy sy Frantsa.
Ny 17 Marsta 2025, nanambara ny fisintahany tsy ho isan'ny ao anatin'ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) ny Repoblikan'i Nizera sy Borkina Fasô . Ny ampitson'io fanambaràna io, ny 18 Martsa 2025, nanaraka ny dian'ireo firenena roa hafa i Mali . Nizera sy Mali izay samy mpikambana mpanorina ilay fikambanana, araka izany dia vely kanonta iray hafa ho an'io andrimpanjakana iraisampirenana nisy azy ireo io ny fisintahan'ireo firenena telo ireo mitambatra mandrafitra rahateo koa ny Alliance des États du Sahel (Fikambanana'ireo Firenena ao Sahel).
Tao amin'ny tambajotra X, ny Conseil National pour la Sauvegarde de la Patrie (Filankevitra Nasiônaly ho Fitandroana ny Tanindrazana) ao Nizera ( rantsam-pitantanan'ireo andrimpanjakana hatramin'ny nisian'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 26 Jolay 2023), dia namoaka tao amin'ny kaontiny hoe:
🔴Retrait du Niger de l'Organisation Internationale de la Francophonie pic.twitter.com/yrX9vAeN0Y
— Conseil National pour la Sauvegarde de la Patrie (@NIGER_CNSP) March 17, 2025
Fisintahan'i Nizera amin'ny Organisation Internationale de la Francophonie pic.twitter.com/yrX9vAeN0Y
— Conseil National pour la Sauvegarde de la Patrie (@NIGER_CNSP) 17 Martsa 2025
Andro vitsy taorian'io fanambaràna io, nandray fanapahana iray hafa ireo manampahefana miaramila tao Nizera hanapaka ireo fifamatorana amin'i Frantsa: ny fampidinana ny fiteny frantsay ho amin'ny laharan'ny fiteny entina miasa. Nanomboka teo, ny “haoussa” no nakarina ho fiteny ôfisialy . Ao amin'ilay firenena, 13% amin'ny vahoaka no mampiasa ny fiteny frantsay.
Fisarahana amin'ny lovan'ny mpanjanatany
Raha misy iraika ambinifolo ireo fiteny avy ao an-toerana manana ny sata maha-fiteny nasiônaly azy ao amin'ilay firenena, 47% amin'ireo ao Nizera no miteny ny fiteny “haoussa”, efa ho ny antsasak'ireo vahoaka maherin'ny 27 tapitrisa amin'ireo mponina ao . Io zavamisy io dia manamarina ny fanandratana io fiteny io ho amin'ny laharana maha-fiteny ôfisialy azy hoy i Ismaël, tanora mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolo Abdou Moumouni ao Niamey, renivohitry ny firenena. Raha nitafàn'ny Global Voices tao amin'ny Whatsapp, hoy izy manazava:
Tsy afaka hiverina hiady hevitra momba io fanapahakevitry ny manampahefana io aho. Manana fiteny marobe ifampiresahana izahay eto amin'ny firenenay, saingy sata maha-fiteny nasiônaly fotsiny no ananan'izy ireny, nefa dia manana mpiteny marobe izy ireny raha mitaha amin'ny frantsay. Ankoatra izay, io fitenin'ny mpanjanaka io dia tsy misy afa-tsy latsaky ny 15% amin'ny vahoaka ao Nizera no miteny azy. Fankatoavana ny fiteny “haoussa” io, izay ifampiresahana sy azon'ny olona marobe ato amin'ny firenena.
Ho an'i Ibrahima Amadou [anarana nindramina], mbola nitafàna ihany koa tao amin'ny WhatsApp, io fanapahankevitra io dia tafiditra amin'ny fanalavàna ny fanamafisana ny fiandrianam-pirenena ataon'ireo vaovao mitarika ny firenena. Ho azy, ireto farany dia nanolo tena hiditra anaty dingan'ny fiandrianam-pirenena tanteraka ho an'ilay firenena, ary araka izany dia mandray izay fanapahana hanamarinana ny zavatra ataon-dry zareo.
Tokony raisina amin'ny ambaratonga rehetra ny fotokevitry ny fiandrianam-pirenena. Tsy azon-dry zareo atao ny miampanga ireo fomba fanaon'ny mpanjanaka dia hitazona ny fiteny frantsay, fiteny iray an'ny mpanjanaka noterena ho ampiasainay, ho toy ny fiteny nasiônaly. Rariny ny fanomezana ho an'ny fiteny “ haoussa ” ny sata maha-fiteny ôfisialy azy.
Tao amin'ny tambajotra X, kaonty iray amin'ny anarana African Stream no miarahaba sy manohana io fanapahankevitr'i Nizera io:
NIGER SAYS ‘GOODBYE FRENCH, HELLO HAUSA!’
Niger has broken free from another colonial chain – the French language – by adopting Hausa as the country’s new national idiom. Hausa is indigenous to, and widely spoken in, West Africa. Along with fellow Alliance of Sahel States. members Burkina Faso and Mali, Niger also recently ditched the body representing La Francophonie – i.e., the ‘French speaking’ world (or rather, those parts of the world that had French imposed on them by colonial France). Hausa is one of the most commonly spoken African languages. More Nigerians speak Hausa than French. In 2012, only 20% of Nigerians were literate in French. Switching to Hausa is a powerful affirmation of African heritage, identity and sovereignty. pic.twitter.com/hHCiZipnOk
— African Stream (@african_stream) April 10, 2025
HOY I NIZERA « VELOMA RY FITENY FRANTSAY », ARAHABA RY HAOUSSA ! Afaka tamina gejam-panjanahana iray hafa i Nizera – ny fiteny frantsay – tamin'ny nanekeny ny fiteny “haoussa” ho toy ny fomba fiteny nasiônaly vaovao. Ny ” haoussa” dia fiteny teratany ary ampiasaina be ao Afrika Andrefana. Toa an'i Borkina Fasô sy Mali, mpikambana ao amin'ny Alliance des États du Sahel , nilaozan'i Nizera tsy ela akory izao ilay fikambanana misolo tena ny Frankôfônia – izany hoe ny tontolon'ny tany mampiasa sy miteny frantsay (na ny marina kokoa, ireo faritra eto an-tany noteren'i Frantsa mpanjanaka hampiasa ny fiteny frantsay). Iray amin'ireo fiteny afrikàna be mpiteny indrindra ny “haoussa”. Ry zareo ao Nizera no marobe indrindra mampiasa ny fiteny “houssa” fa tsy ny fiteny frantsay. Tamin'ny 2012, 20 % tamin'ny olona ao Nizera no nahay namaky sy nanoratra ny teny frantsay. Ny fikisahana ho amin'ny “haoussa” dia fanamafisana mahery vaika ny lova, ny maripamantarana ary ny fiandrianana afrikàna.
pic.twitter.com/hHCiZipnOk
— African Stream (@african_stream) 10 Aprily 2025
Vely kanonta ho an'ny fampianarana
Anatin'ny rafi-pampianarana ao Nizera, ny frantsay hatrany no fiteny fototra nentina nampianatra, na dia namporisihana aza ny fampianarana amin'ireo fiteny nasiônaly hatrany amin'ny fahazazàna .
Tamin'ny 2018, noho ny fitomboan'ny fandaozana sekoly teny anivon'ny ankamaroan'ny ankizy sy ny tanora, safidy noraisin'ny fanjakana ny hanamafy ny fampianarana amin'ny fiteny avy eo an-toerana, araka ny lazain'ity lahatsoratry ny gazety LeMonde ity. Raha nitafàna tamin'ny Febroary 2018, nanamafy tamin'ny gazety LeMonde i Rabiou Rachida, ramatoa mpampianatra voafehina fifanarahana asa ho an'ny kilasy CIB (taona voalohany ho an'ny ambaratonga fototra), fa :
Amin'ny fiteny zarma [fiteny faharoa be mpiteny indrindra ao Nizera, misy 18% no mampiasa azy], mora mahazo kokoa ny ankizy ary malaky raha ampitahaina amin'ny fiteny frantsay.
Ity fanambaràn'ilay ramatoa mpampianatra ity dia manamafy ny lanjan'ny fampianarana amin'ireo fiteny avy eo an-toerana, tohankevitra noraisin'ireo manampahefana miaramila eo amin'ny fitondràna ao Nizera amin'izao fotoana izao.
Nefa inoan'i Affiz Ousmane, mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolo Dan Dicko Dankoulodo ao Maradi (UDDM) ao an-tanànan'i Maradi (faritra afovoan'ny firenena) nifampiresaka tamin'ny Global Voices, fa ilay fanovàna nalaky be ny satan'ny fiteny frantsay dia mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny rafi-pampianarana:
Tampoka ny fanovàna, mahery setra ary ny fampianarana no hitaty ny vokany. Tamin'ny fiteny frantsay hatrany ny rafi-pampianarana teto aminay, indrindra fa ny ambaratonga ambony. Tsy maintsy hiverina handamina hatrany ifotony mba tsy hisy ho tra-pahavoazana.
Manantena fatratra aho mba tsy ho toy ny nanapahan'ireo manampahefana miaramila ny fifandraisana tamin'i Frantsa sy ireo andrimpanjakana iraisampirenena nisy antsika no hanaovana io fanovàna io.
Hatramin'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 26 Jolay 2023, mazava fa hita niteraka fiovàna lalina teny anivon'ny fiarahamonina ao Nizera ny fiharatsian'ny fifandraisan'i Nizera sy Frantsa. Tamin'ny Ôktôbra 2024 sahady, nirosoan'ireo manampahefana miaramila ny fanesorana ireo anarana frantsay teny amin'ireo toerana natao ho an'ny daholobe, tamin'ny fanomezanana anarana vaovao ireo lalambe migodana, tsangambato sy toerana hafa nisy anaran'olona ka lasa tena avy ao Nizera fotsiny.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/06/15/174799/
|
Mety ho fandrisika amin'ny fiovan'i Afrika ny fanabeazana ho an'ny zazavavy
| 2025-06-15T04:22:18
|
Unknown
|
Ankizy feno hafaliana mandritra ny fakan-drivotra any an-tsekoly. Sary tao amin'ny Pexels . Azo ampiasaina malalaka .
Avy amin'i Raby S. Diallo sy Stéphanie Manguele
Mbola fanamby lehibe hatrany ny fanabeazana ho an’ny zazavavy na dia nahitana fandrosoana amin'ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy sy fivoarana lehibe teo amin'ny fanabeazana aza ny firenena Afrikana any atsimon'i Sahara. An-tapitrisany ny tovovavy no mbola tsy manana fahafahana mankany any an-tsekoly. Na dia mankany aza izy ireo dia zara raha mahavita ny fianarany. Efa ho 32,6 tapitrisa amin'izao fotoana izao ny zazavavy manana ny taonan'ny sekoly fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa amin'izao fotoana izao no tsy mianatra. Niakatra ho 52 tapitrisa ity isa ity any amin'ny ambaratonga faharoa ambony kokoa (lisea). Fantatra tsara anefa fa ny fanomezan-danja ny vehivavy no mitondra ny firoboroboana ara-toekarena, izay tsy ho tratra raha tsy misy ny antoka amin’ny fahafaha-misitraka fanabeazana.
Sakana ara-tsosialy sy ara-kolontsaina raiki-tapisaka
Tsy azo fintinina amin'ny resaka fidirana an-tsekoly fotsiny ny fanabeazana ny zazavavy any Afrika; tsy maintsy vahana ny tsy fitoviana ara-drafitra sy ny fenitra fanjakazakan-dray izay manakana ny fandrosoany.
Lalim-paka any amin'ny fiarahamonina maro any Afrika ny fanavakavahana eo amin'ny lahy sy ny vavy ary mitoetra ao anatin'ny rafitra sosialy, anisan'izany ny sekoly. Manasarotra ho an'ny tovovavy hirotsaka an-tsehatra amin’ny andraikitra mihoatra izay efa mahazatra nomena azy ireny fitongilanana ireny. Matetika manamafy izany tsy fitoviana eo amin'ny lahy sy ny vavy izany ny fitaovam-panabeazana: zara raha manana andraikitra amin’ny fitantanana ny vehivavy fa amin'ny raharaha any an-tokantrano ihany izy ireo no asongadina. Mampiseho izany fifanoherana izany ny torolalana vao haingana navoakan’ny sampan-draharaham-pirenena sasany tany Sénégal izay namelana ny vehivavy hirava aloha amin'ny asany mandritra ny Ramadany mba hikarakara ny raharaha ao an-tokantrano. Tsy azo atao tsinontsinona ity ohatra ity satria maneho ny fitsinjarana asa miraiki-tapisaka amin'ny mahalahy sy mahavavy izay mametraka ny vehivavy hisahana ny ankohonana raha mitana toerana stratejika amin'ny fanapahan-kevitra ao amin'ny orinasa kosa ny lehilahy.
Takian'ny fanabeazana tsimanavaka ny politika miantoka ny hananan’ny ankizivavy tontolom-pampianarana azo antoka sy mizàka. Zava-dehibe noho izany ny fanavaozana ny votoaty ara-panabeazana mba handravana ny fijery vilana ary handrisihana ny fandraisan'ny zazavavy anjara amin'ny sehatry ny siansa sy teknika.
Tsy maintsy ankatoavina koa ny fisian'ny sakana ara-toekarena. Mitaky fandaniana be ny fanabeazana ny ankizy, ka manery ny fianakaviana hisafidy na hanabe zazalahy na zazavavy. Satria ny fandefasana ny zanakavavy hanambady dia heverina ho toy ny fomba hivoahana amin'ny fahantrana, hany ka tsy heverina ho laharam-pahamehana ny fandaniam-bola amin'ny fianarany, fa tsy toy ny ankizilahy, izay ampiroboroboina ny fahombiazany sy handaniam-bola.
Araka ny voalazan’ny Banky iraisampirenena sy ny UNESCO , taraiky 30 taona aorian’ireo firenena mandroso ny fanabeazana ny zazavavy any Afrika atsimon'i Sahara. Ilaina ny fepetra maika mba handravana ny rindrina fanavakavahana ny lahy sy ny vavy, hametrahana ny zon'ny zazavavy hobeazina amin'ny alalan'ny lafin-javatra telo lehibe dia ny fanairana ny sain'ny fiarahamonina ny maha zava-dehibe azy, ny fanomezana vatsim-pianarana sy fanohanana ara-bola ho an'ireo fianakaviana sahirana, ary ny famoronana tontolom-panabeazana any an-tsekoly iombonana sy azo antoka.
Midika fampiasam-bola hanomezan-danja ny vehivavy sy ny fampandrosoana an'i Afrika ny fampiasam-bola amin'ny fanabeazana ny zazavavy. Na izany aza, tinakin'ny tena fandrosoana ny miasa mihoatra ny sekoly mba handravana ny fenitra ara-piarahamonina mametraka ny ankizivavy ho ambany fifehezana hatramin'ny fahazazany.
Fiantohana ny zon'ny zazavavy hahazo fanabeazana
Mitaky fanoloran-tena avy amin'ny mpandray anjara rehetra ny fampiroboroboana ny zon'ny zazavavy hahazo fanabeazana. Ilaina bebe kokoa ny ezaka mba hanomezana vahaolana mifanaraka amin'ny zava-misy sarotra aty Afrika. Tsy maintsy mandray anjara avokoa ny rehetra ary samy manana ny anjara toerany avokoa ny fiarahamonim-pirenena, ny governemanta ary ny fikambanana tsy miankina. Ny fitondram-panjakana indrindra indrindra no manana andraikitra amin'ny fiantohana io zo io ary tsy maintsy mandray ny fepetra rehetra ilaina ho amin'izany.
Na dia nampanantena aza ny fanjakana afrikanina fa hanome fampianarana fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa maimaim-poana mandritra ny 12 taona ho an'ny ankizy rehetra — lahy sy vavy — dia matetika zara raha ampiharina ny politika toy izany noho ny fahantrana sy ny fenitra ara-tsosialy sy ara-kolontsaina mbola manjaka ao anatin'ny vondrom-piarahamonina eny an-toerana izay mamelona ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy.
Noho izany, tsy maintsy mivaingana ny fanavaozana ataon'ny governemanta Afrikana amin'ny politikam-panabeazana ary ampitomboiny ny fampiasam-bola mba hiantohana fa tsara kalitao ny fanabeazana ny tovovavy Afrikana rehetra. Tafiditra ao anatin'izany ny fanafoanana ny sakana ara-tsosialy amin'ny fandehanan’ny zazavavy any an-tsekoly, fametrahana rafitra ara-dalàna mba hiantohana ny zazavavy rehetra hamita ny fianarany hatramin'ny faha-16 taonany, ny famatsiam-bola ho an'ny fanabeazana maimaimpoana tsy maintsy tanterahina amin'ny alalan'ny fanomezana ampahany betsaka kokoa amin'ny teti-bolam-pirenena ho an'ny sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa, ary ny fiantohana ny tontolom-panabeazana azo antoka sy mahazaka — anisan'izany ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana mba hanafoanana ny fijery vilana manoloana ny lahy sy ny vavy.
Tsy maintsy mamolavola safidy fanofanana arak'asa ho an'ny reny tanora sy tovovavy marefo ihany koa izy ireo mba hisorohana ny fanilikilihana azy ireo, ary handray fepetra mifanaraka amin'izany hisorohana ny fanambadiana aloha loatra. Na ahoana na ahoana, tsy maintsy ampiharina ny rafitra fanaraha-maso sy fanombanana mba hahazoana antoka fa mihatra (sy) mahomby ireo politika ireo.
Raha heverina fa manolotra hatramin'ny 90 isanjaton'ny fidiram-bolany ho an'ny fanasoavana ny fianakaviany sy ny fiaraha-monina ny ankamaroan'ny vehivavy, raha ampitahaina amin’ny an’ny lehilahy izay 30 sy 40 isanjato monja, dia zava-dehibe ny mampitombo ny loharanom-bola, ny lalàna, ary ny maha-olona hanohanana ny fanabeazana ny zazavavy. Ankoatra ny fanatsarana ny toe-piainan'ny tsirairay, hametraka fototra ho amin'ny tena fanovana eo amin’ny fiarahamonina Afrikana io fampiasam-bola io.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/06/01/174844/
|
‘Ny ombivavy no nanorina ny sekolinareo’: ny revôlisiôna ifotony nataon'i Mama Anna tany an-Tendrombohitra Meru ao Tanzania
| 2025-06-01T10:02:59
|
Unknown
|
Mama Anna ao an-tranony ao amin'ny vohitr'i Mulala, miloloha lafitr'akondro eo an-tampondohany no sady mandray ireo vahiny. Saripika an'i Sydney Leigh Smith. Nahazoana alàlana.
Any ambony amin'ireo tevana ao amin'ny Tendrombohitra Meru , ao amin'ny distrikan'i Arumeru ao Tanzania , no misy ilay vohitra kely mandry fahaleman'i Mulala. Tsy misy afa-tsy mponina 2.000, tena mora ny manadino azy — nefa eto no misy ramatoa iray, fantatra fotsiny amin'ny hoe Mama Anna, namerina namolavola izay afaka ho endriky ny fampandrosoana eo an-toerana.
Ny fiovàny avy amin'ny naha-mpamboly nivelona tamin'ny tsaramaso azy, ho lasa anaty vondrom-piarahamonin'ny mpanabe sy mpandraharaha, dia nanomboka tamina fanomezana iray tsy nampoizina: ombivavy iray.
“Rano very maina ny ranomaso”
Ireo ombivavy be ronono ao an-tranon'i Mama Anna manome ny ronono ampiasaina hanaovana frômazy ho an'ny fikambanan'ireo vehivavy. Saripika an'i Sydney Leigh Smith. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Mama Anna — Anna Pallangyo — dia vehivavy Meru iray, niteraka enina, ary iray amin'ireo vehivavy 717 ao anatin'ny tambajotra FAIDA-SEP, Fampiroboroboana ireo Orinasa Madinika. Tsy nandia afa-tsy ny sekoly fanabeazana fototra ary zara raha manana hatokona, nanomboka namboly tsaramaso izy mba hamelomana ny ankohonana. Nefa tsy dia nanao ahoana loatra ny vokatra, dia nitahiry izay azony natao izy, vonona ny hikaroka fomba hafa.
Rehefa nitondra ombivavy iray ho azy ny mpiasan'ny fampandrosoana, tsy mbola azony antoka izay tokony ho atao. “Azoko atao inona izay gombe iray [ombivavy] ?” hoy izy nanontany tamin'ny feo avo. Avy eo, nianarany ny nitery (ronono) tamin'izy io.
Isanandro, nanome ronono ho an'ny ankohonany sy ireo namany izy. Rehefa nanomboka tsy lany ny ronono, nandray fanapahankevitra izy: “Ho amidiko ny maziwa (ronono).” Isaky ny maraina, mandeha midina an'ilay havoana izy ho an'ny an-tanàna; isaky ny tolakandro, mihanika miakatra indray, mikorintsana “tahaka ny gidro” ao am-paosiny ireo vola madinika
“Rano very maina ny ranomaso,” hoy izy. “Araka izany dia fenoiko tsiky ny amiko.”
Rehefa niteraka ilay ombivavy, natolony ho ana vehivavy hafa ilay zanany. Ilay fihetsiny nizara dia nivadika ho lasitra iray fiarahamiasa nanerana ilay vohitra — tsy hoe fotsiny nanaparitaka ireo ombivavy, fa ny hevitra koa.
Nanomboka tamin'ny tsaramaso, avy eo biôgazy, ronono hatramin'ny tsena
Tany am-boalohany dia voamarik'i Mama Anna fa marobe ireo tokantrano tao amin'ny vohitra Songoro no nanana ombivavy, saingy ny tsy fahampian'ny tany no nahatonga ny firaofana ahitra tsy hisy araka ny fenitra. Rehefa nahatsapa fisiana hirika fanararaotra izy, natombony ny fakàna sakafom-biby teny amin'ireo mpamongady tao an-tanànan'i Arusha ary namidiny tamin'ireo mpiray vodirindrina taminy. Nandritra ny fotoana vitsivitsy, izy irery no mpamatsy — mandra-pisian'ny lehilahy iray nanatevin-daharana ilay varotra.
Niova famindra indray izy.
Tamin'ny alàlan'ny FAIDA-SEP, nisoratra hanaraka fiofanana nandritra ny herinandro izy, momba ny fikarakaràna ny ronono, ka tao no nahaizany nanamboatra habobo sy frômazy. Io no nahafahany nitahiry ronono, nanamarin-toerana ny varotra sy niantoka fidirambola tsy tapaka. Nanaraka fiofanana momba ny fitantanana fandraharahàna izy, namadika ny tanim-tsaramasony ho an'ny voninkazo, ary nametraka biôgazy tao an-trano mba hampihena ny vesatry ny asa an-tokatranony.
Ankehitriny, mbola manohy mikarakara fitsidihana fifanakalozana teknôlôjia ataon'ny FAIDA izy, mizara ny tantarany amin'ireo vehivavy manerana ilay faritra.
Rehefa anontaniana azy izay torohevitra omeny ny hafa, tsotra ny valiny: “Faharetana, fahatapahankevitra, ary nofinofy kely — miaraka amina torohevitra kely iray, dia lasa lavitra foana io.”
“Hanangana sekoly ho an'ny zanatsika isika”
Olona mikarakara kafe vita ao an-tokantrano, ao an-tranon'i Mama Anna ao amin'ny vohitra Mulala, mampiasa ireo fitaovana nentindrazana hitotoana ho vovoka ireo voa voaendy. Saripika an'i Sydney Leigh Smith. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Miaraka amin'ny ronono bebe kokoa, ombivavy bebe kokoa, dia tonga ireo vehivavy betsaka kokoa, vokatra sy fanontaniana maromaro kokoa. “Inona no hataontsika amin'ireto maziwa (ronono) ireto?” hoy ireo mamas hafa nanontany. Novalian'i Mama Anna hoe: “Hanamboatra chizi (frômazy) isika.” Nandeha nankany an-tànana izy nianatra ny fomba fanaovana azy, avy eo nampianatra izay zavatra nianarany.
Rehefa nanomboka nihoatra ny fanjifàn'ny teo an-toerana ny frômazy, nitodika tany aminy indray ireo mamas : “Hataontsika inona ireto chizi (frômazy)?” Nanana hevitra hafa i Mama Anna: “Hamidintsika amin'ireo mpitsidika ny chizi -ntsika (frômazy).” Nanasa mpizahatany ry zareo, nanokatra toerana fivarotana iray, ary nanomboka nanana fidirambola.
Niverina farany indray ireo vehivavy: “Hataotsika inona ireto madonge (vola) ireo?” Tamin'ity indray mitoraka ity, tena nitondra fiovàna be ny valinteny nomen'i Mama Anna.
“Hanorina skuli (sekoly) iray isika ho an'ny watoto -ntsika (ankizy).”
Ary nataon-dry zareo izany. Niorina avy amin'ny tombombarotry ny fiterena ronono ny sekoly garabola voalohany. Avy eo ny sekoly iray fampianarana ny fitsipi-pitenenana. Avy eo sekoly ambaratonga faharoa. Teo amin'ny toerana iray izay fahiny tsy takatra ny handefa hianatra — indrindra fa ho an'ny zazavavy — dia misy izao ireo efitrano fianarana eny an-tampon-kavoana, feno mpianatra.
Rehefa nisaotra an'ireo vehivavy ireo ankizy, nihomehy i Mama Anna sady niteny hoe, “Aza misaotra anay. Ny gombe (ombivavy) no nanorina ny sekolinareo.”
Lovan'ny fiovàna notarihan'ny vondrom-piarahamonina
Androany, mihoatra lavitra noho ny maha-mpandraharaha nahita fahombiazana i Mama Anna — mpanorina hoavy izy. Amin'izao fotoana izao dia mitantana ny fandraharahàn-dry zareo manokana ireo vehivavy ao Mulala, mamokatra zezika, tantely, kafe ary vokatra avy amin'ny ronono. Fahiny, marobe tamin-dry zareo ireo no niankin-doha ara-bola tamin'ny lehilahy. Ankehitriny, ry zareo no miantoka ny filàn'ny ankohonana sy mampiasa vola amin'ny fanabeazana.
Sady an'ny eo an-toerana no an'ny tontolo ny tantarany: rehefa omena fiofanana, omena fahatokisana sy fitaovana mba hahomby ny vehivavy, dia ny vondrom-piarahamonina manontolo no miroborobo.
Tsy vina ho an'ny tenany samirery velively ny azy. Nitodika mandrakarivaa nankany amin'ireo ankizy, vehivavy izay nanjohy azy sy ireo ankizivavy niditra ny efitrano fianarana naorina avy amin'ny asa niraisana sy ny fahatapahankevitra nitambarana.
Sady mazava no mafonja ny hafatr'i Mama Anna ho an'ireo vehivavy manerana ny tany, hoe:
“Raha nahavita an'io ry zareo? Ianareo koa.”
|
https://mg.globalvoices.org/2025/05/30/174833/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha-26
| 2025-05-30T12:43:32
|
Unknown
|
Eo amin'ny sary, “Los Petipán” ; Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube de Betty Cake
Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna saingy indraindray miova tanteraka ny heviny.
Hita eto avokoa ireo fizaràna rehetra nataonay teo aloha : Les mots ont la parole .
Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay:
Petipán : ity voambolana espaniôla-peroviàna ity dia fampifanarahana ao an-toerana ny voambolana frantsay ‘ petit pain ’ ampiasaina hanondroana ireo mofo boribory kely aroso ho toy ny fanalàna hanoanana rehefa fety. Misy sokajy iray antsoina hoe ‘ petipanes con pollo ‘ na ‘mofo kely misy akoho‘ izay nosesehana fangarona nofon'akoho, seleria ary mayonnaise .
Omen'ity lahatsary ity ny fomba manontolo fahandro azy:
Lavage de cerveau: (fanasàna atidoha) N y fomba fiteny hoe « fanasàna atidoha » dia fandikàna ara-bakiteny ny fomba fiteny shinoa iray itambarana tarehintsoratra roa xǐ nǎo (洗脑) izay midika hoe ‘manasa’ sy ‘atidoha’. Ity fomba fiteny ity dia manondro indrindra indrindra ny dingana pôlitika iray izay ny tanjona dia ny handrafetana indray fomba fisaina iray hanekena ny dôgma kaominista .
Hita izy io ao amin'ny lohatenin'ny lahatsoratra iray nadika ato amin'ny Global Voices: Hong Kong: Le lavage de cerveau éducatif [Fr.]
Shégué : voambolana avy amin'ny lingala , iray amin'ireo fiteny nasiônaly ifampiresahana ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC). Ny “ Shégué ” dia manondro ireo ankizy miaina eny an'arabe. Matetika izy ireny dia ankzy narian'ny fianakaviany noho ny antony marobe, indrindra fa noho ny sikidy niampanga an-dry zareo . Ireny ankizy ireny, navela hiady irery, dia mampiasa izay fomba rehetra hahavelona azy. Tsy adika amin'ny frantsay-kôngôley izy ity ary ampiasaina amin'izao endriny izao mba hamaritana io trangam-piarahamonina io.
Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizaràna ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org ou jean.dedieusovon@globalvoices.org
|
https://mg.globalvoices.org/2025/05/28/174024/
|
Ny Nampifanohizan'ny mpampianatra oniversitera iray avy ao Gambia ny sekoly ambony sy ny fisoloana teny
| 2025-05-28T06:20:13
|
Unknown
|
Dr. Satang Nabaneh niteny nandritra ny fanazavan-kevitra. Sary nomen'ny Dr. Satang Nabaneh. Sary nahazoana alalana.
Avy amin'i Sydney Leigh Smith
Hatramin'ny voalohany maha-solontenan'ny ankizy azy tao Gambia ka hatramin'ny naha-mpiaro ny zon'olombelona azy eken'ny sehatra iraisampirenena, porofon'ny fikirizana sy ny fahasahiany ny diam-piainan'ny Dr. Satang Nabaneh. Mpampifandray ny fikarohana akademika amin'ny fanomezam-bahana ny fiarahamonina no asany, mampanan-danja ny fiovana eo amin'ny sehatra manerantany.
Mpahay lalàna, mpandala ny zon'olombelona ary mpampianatra manan-daza iraisampirenena avy ao Gambia ny Dr. Satang Nabaneh ary nasehon'ny asany mandritra ny androm-piainany ny fanoloran-tenany ho amin'ny fikatrohana. Vao valo taona i Nabaneh dia efa nandray anjara tamin'ny fiarovana ny zon'ny ankizy tao amin'ny Vokovoko Mena sampana Gambiana. Voafidy ho solontenan'ny ankizy Gambiana ao amin'ny Parlemantan'ny Ankizy eran-tany izy tamin'ny faha-roa ambin'ny folo taonany, nanatrika fivoriana avo lenta sy nikabary nanoloana ireo olo-manan-kaja.
Nisy tranga iray notantarainy:
I just went and sat at the high table right. I wasn’t assigned a seat at the table, and they were like, ‘Oh, you don’t have a seat.’ I was like, ‘But this is a children’s event, right? Why am I not at a table?’
Tonga aho dia nipetraka teo amin'ny latabatra havanana. Tsy nanokanana seza aho, ary nisy niteny hoe: ‘Oh, tsy manana seza ianao.’ Hoy aho hoe: ‘Fa lanonan'ny ankizy ity, sa tsy izany? Koa nahoana aho no tsy ho eto?’
Ireny zava-niainany hatry ny fahakely ireny no nampiditra tao aminy ny lanjan'ny fihaikàna fitsipika, filozofia mitari-dalana azy.
“Rehefa misaintsaina ny diam-piainako aho, dia fantatro ny lanjan'ny fahasahiana (mipetraka eo amin’ny ‘latabatra avo’), maka toerana, ary mandroboka manontolo ny tenako,” hoy izy, mandrisika ny tanora “hampihatra ny fahefany, hanohitra fenitra ara-piarahamonina, hanangana toerana mahasolo, na hampifahatra ny fijoroany any amin’ny toerana mety tsy handraisana azy ireo ara-tarazo.”
Tsy ampy ny fampianarana ambony”
Nanomboka tamin'ny fahavitan'ny Lisansa amin'ny Lalàna tao Gambia sy ny fahazoana Master amin'ny zon'olombelona sy ny demôkratizasiona ao Afrika sy ny fahazoana Dôktôrà amin'izany tao amin'ny University of Pretoria ny fianarana ambony nodiavin'i Nabaneh. Taty aoriana izy niroso amin'ny fahazoana mari-pahaizana PhD tao Afrika Atsimo, izay novatsian'ny Vaomieran'ny Fikarohana Norveziana ary nifantoka tamin'ny zo ara-nofo sy ny fananahana. Nifamatotra tamin'ny fahavitrihany ity orina mpanasoa fianarana ambony (akademika) ity, izay nofaritany ho “mpampahafantatra ny lalan'ny” asany. Mifamatotra lalina amin'ny filan'ny fiarahamonina sy ny rariny ara-tsosialy hatrany ny asany amin'ny fianarana ambony. “Tsy ampy ny fianarana ambony,” hoy izy nanamafy, nanoritra fa tany ivelan'ny efitrano fianarana mahazatra ny tena fianarana sy ny fitomboana norantoviny.
Tamin'ny maha Talen'ny Fandaharanasa sy maha Profesora Mpanampy azy eo amin'ny sehatry ny Fampiharana tao amin'ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Oniversiten'i Dayton no namolavolàn'i Nabaneh sy nitarihany fandaharanasa nahafahan'ny mpianatra nanovo traikefa amin'ny asa momba ny zon'olombelona, matetika mametraka azy ireo eny ankianja eo amin'ny sehatry ny asa manerana an'i Afrika. Natsangany ny “Vatsy manerantany fianarana mizatra”, ahafahan'ny mpianatra miasa miaraka amin'ireo fikambanam-piarahamonina any amin'ireo firenena toa an'i Gambia, Ghana , Kenya , ary Afrika Atsimo . Ireny fizàrana asa ireny, hoy izy, no manokatra fomba fijery tena sarobidy.
“Tsy tiako izy ireo handeha any amin'ny mpiara-miombon'antoka aminay ary mieritreritra fa hamaha ny olany na hoe manam-pahaizana manokana ry zareo,” hoy izy nanazava. Foibe amin'ny asany io finoana mifampianatra sy manetry tena amin'ny fisoloan-teny io.
Fanomezana vahana ireo mpitariky ny taranaka hoavy
Tamin'ny taona 2011 i Nabaneh niara-nanorina ny Think Young Women , fandaharan'asa voalohany fitariohan-dalana ny zazavavy ao Gambia. Nivoaka tany am-paosin'ireo mpiara-manorina tamin'ny voalohany ny famatsiana azy fa nahazo fanohanana avy amin'ny Tahirim-bolan'ny Firenena Mikambana momba ny mponina (UNFPA) sy ny UNICEF amin'izao fotoana izao. Ahafahan'ny zatovovavy mandray anjara amin'ireo hetsika fanoroana izay mankahery azy ireo hampivelatra ny fahaizany amin'ny fisoloan-teny sy ny fitarihana ny fisantarana andraikitra. Maro amin'ireo maintimolalin'ny fandaharana no niverina hitarika Think Young Women, miantoka ny fikambanana hotarihin'ny tanora hatrany sy hiorim-paka ao amin'ny fiarahamonina. Ity asa ity no ohatra amin'ny fomba fiasany ho amin'ny fiovana ara-tsosialy lovainjafy, izay heveriny fa tokony hotarihin'ny eo an-toerana sy hovatsiana vola araka ny tokony ho izy. Nosoritany ireo olana iraisan'ny fampandrosoana iraisampirenena :
The global community pushes for norms and standards…but we often miss how to translate these into action.
Manosika hanamaro fitsipika sy fenitra ny vondrom-piarahamonina maneran-tany… saingy tsy hainay matetika ny mamadika ireny ho asa.
Tena ilaina ny famatsiam-bola maharitra sy ny fananganana fiaraha-mitantana, fa ireny ho ahafahan'ireo hetsika hihoatra ny dingana voalohany amin'ny asa an-tsitrapo “tarihin'ny fankamamiana lalina”.
Mandrava ireo manakana ny feon'ny Afrikana amin'ny zon'olombelona
Namaritra ny fanasongadinana ny lalam-piainan'i Nabaneh ny fanoloran-tenany hanamafy ny feo Afrikana. Mitondra ny fisoloanteniny any amin'ny fampianarana ambony (akademia) izy, mampiroborobo ny fomba fijery Afrikana momba ny zon'olombelona sy ny fianarana ny lahy/vavy. Vao haingana izy no nikarakara kaonferansa momba ny “ Fanalàna amin'ny fanjanahantany sy fampivoarana ireo taranaky ny vahoaka Afrikana ”, hanamorana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo mpikatroka sy manam-pahaizana manerana an'i Afrika, Amerika Latina ary Karaiba. Nifantoka tamin'ny firaisankina Afrikana sy ny zon'ny vehivavy any am-pielezana ny fihaonambe, mba handravana ireo sakana eo amin'ny samy vondrom-piarahamonina mainty hoditra maneran-tany. “Fampitoviam-pijery io amiko,” hoy izy, mitondra miaraka ny feo Afrikana sy manangona ho amin'ny toerana iray ny fomba fijery Afrikana amin'ny resaka momba ny zon'olombelona manerantany.
Nandritra ny asany, nitoetra ho “mpampianatra ambony mpikatroka” i Nabaneh, nanolo-tena handravona ny elanelana misy eo amin'ny fikarohana akademika (fampianarana ambony) sy ny fitondrana ny tenin'ny fiarahamonina. Entin'ny fanoloran-tena hahazoan'ny daholobe ny fampianarana ambony izy, manao izay hahatonga asany ho takatry ny besinimaro sy mifanentana amin'ny mpikatroka sy ny fikambanana eny an-kianja. Manazava izy,
I don’t want my research to sit on a shelf. I want it to be used by those doing the incredible work of transforming their communities.
Tsy tiako hipetraka amin'ny talantalana ny fikarohako. Tiako io ho ampiasain'ireo manao asa mahatalanjona amin'ny fanovana ny fiaraha-monina misy azy ireo.
Asehon'ny fiainan'i Nabaneh sy ny lalam-piainany fa afaka mamaritra indray ny toerana sy manome vahana ny taranaka hoavy ny fahasahiana, ny faharetana ary ny fanoloran-tena miompana amin'ny fanovana ny fiaraha-monina.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/05/23/174497/
|
Hatrany Oganda ka hatrany Sri Lanka: ny ady ho amin'ny fitoviana sy fahafahan'ny LGBTQ+
| 2025-05-23T15:48:51
|
Unknown
|
Franck Musigha. Sary avy amin'i Frank Musigha, nahazoana alàlana.
Fanadihadian'i Clarisse Sih sy i Bibbi Abruzzini
Rehefa misy feo manohitra ny fampahoriana dia mihaino azy izao tontolo izao, ary manomboka ny fiovàna. Amin'ity taona ity, mizara tantara miavaka momba an'i Frank Mugisha, ogandey mpisolovava mpiaro ny zon'ny LGBTQ +, sy i Rosanna Flamer-Caldera, miady ho an'ny hasin'ny maha-olona any Sri Lanka ny “ fanentanana Dia Miaraka Aminay ” ary ny fahasahiana sy fikirizan'izy ireo no manazava ny lalana mankany amin'ny rariny sy fanekena ho an'ny rehetra.
Nangina mizotra hatanjaka
Manerana an'i Afrika, 31 ireo firenena mbola manameloka tanteraka ny fiarahan'ny lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy, mahazo sazy manomboka amin'ny fanagadrana izany ary mety miafara hatramin'ny fahafatesana mihitsy aza. Lalàna efa hatramin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany ireo lalàna ireo, izay mampidi-doza no sady mamoritra olona LGBTQ+ an-tapitrisany maro manerantany.
Na dia eo aza ireo fanamby ireo, manana anjara asa lehibe ny vondrona mpisolovava toy ny Sexual Minorities Uganda ( SMUG ) amin'ny famondronana firaisankina iraisam-pirenena, sy amin'ny fampahafantarana ireo toe-javatra zava-manjò ny fiaraha-monina LGBTQ+ ao Afrika.
“Nanomboka tao an-trano ny diako, nandà ny hangina momba ny fananahako”, hoy i Frank Mugisha, mpisolovava ny LGBTQ+ no sady tale mpanatanteraka eo anivon'ny SMUG, tamin'ny antsafa nataon'i Bibbi Abruzzini sy Clarisse Sih tao amin'ny tambazotra Forus. “Te hanome toerana hahafahan'ny olona maneho ny tena fiziany aho” hoy ihany izy nanazava, raha nieritreritra ireo ezaka nataony nitondràny fiononana, fanovozana ary fanantenana.
Naorina ny taona 2004, lasa fanilo ho an'ny fiaraha-monina LGBTQ+ ao Oganda ny fisian'ny SMUG, na dia teo aza ny fanenjehana azy ireo. “Nanjary lasa ampinga sy hery ny fahitàna anay” hoy i Mugisha, mitantara ny ezaka toy ny fanentanana “ Aleo izahay hiaina am-pilaminana ” tamin'ny taona 2007. Na teo aza anefa ny fanentanana sy ny fanaovan'ireo mpandray anjara saron-tava ho mariky ny tsy fahafantarana anarana sy mahaolombelona, izay niezaka nitady fangorahana, dia mbola herisetra mahery vaika ny setriny.
This was when we realized the importance of staying visible. We needed to show the world who we are and what we endure.
“Tamin'izany no nahatsapanay fa tena manan-danja ny tokony hijoroanay tsy an-kiafina. Mila mampiseho an'izao tontolo izao hoe iza izahay sy ny tsy rariny iainanay”
Tsy hoe tsy nisy fanamby goavana ny dia. Nisy lalàna nandràra ny fifankatiavan'ny olona mitovy fananahana ny taona 2023 , izay nosokajian'i Franck ho toy ny lalàna “mamporisika hankahala olona sy fanavakavahana” izay nanohina mafy ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ any Ogandà. “Nandrakitra fanitsakitsahina mihoatra ny 1.060 izahay tao anatin'ny sivy volana” hoy ihany izy nitantara tamin'ny antsipiriany ireo tranga fandroahana, herisetra ary famonoan-tena mihitsy aza.
Kanefa na izany aza, ny fanolorantenan'i Frank sy ny finiavany hamorona endrika vaovao amin'ny fiaraha-miasa no manome hery ny tolona ataony. Manoloana ny fandrahonana ho faty sy ny fampihorohoroana, ny fahaverezana asa sy namana, ary anisany amin'ireo olom-bitsy sahy mijoro amin'ny maha hafa azy ara-pananahana any Oganda, tsy mbola nihemotra amin'ny ady ataony hiarovany ny zon'ny LGBTQ+ i Frank Mugisha. Nahazoany toerana tao amin'ny 2024 Time 100 list , ny Robert F. Kennedy Human Rights Award , sy ny fanendrena Loka Nobel ny fandriampahalemana ny asa nataony. “Nahita firaisankina manerantany izahay — avy amin'ny haino aman-jery hatramin'ny governemanta iraisampirenena— ary izany no fiainanay. Izay feo rehetra hasandratray dia dingana iray mankany amin'ny rariny.”
Miparitaka lavitra mihoatra an'i Oganda ny hafatr'i Frank. Miantso fiaraha-mientana hanoherana ny fankahalàna izy, ary mandrisika ireo mpanara-dia manerantany mba hijoro, hanao fanangonan-tsonia ary hanohana ireo fikambanana ao an-toerana :
Homophobia isn’t just an African problem; it’s a global issue. International solidarity is our safety. When you raise your voice, you represent those who can’t.”
“Tsy olan'ny Afrikana fotsiny ny Homophobia , fa olana manerantany. Firaisankina iraisam-pirenena no antoka maharo anay. Rehefa manandratra ny feonao ianao dia efa solontenan'ireo izay tsy afaka manao izany.”
Ahitàna akony amin'ny mpikatroka manerantany sy ho amin'ny firaisankina ny antso ataon'i Frank. Manerana ny kaontinanta, mamaritra ny lalany manokana amin'ny tolona fitovian-jon'ny rehetra, ny ady ataon'ny olona toa an'i Rosanna Flamer-Caldera.
Fihetsiketsehana avy any Ogandà hatrany Sri Lanka
Rosanna Flamer-Caldera. Sary nalain'i Rosanna Flamer-Caldera, nahazoana alàlana.
Nanomboka tany San Francisco tamin'ny faramparan'ny taompolo 1970 ny dian'i Rosanna Flamer-Caldera, mpikatroka iray, fony mbola nandinika lalina ny fiziany izy. “Toy ny nifanome tanana tamiko izao tontolo izao vao tonga tao San Francisco aho”, hoy izy nandritra ny fanadihadiana nataon'i Forus. Nanjary nisy dikany ny fiainany raha vao nahita ny herijika sy ny fahavononan'ireo vondrom-piarahamonina LGBTQ+, izay tarihin'i Harvey Milk , “Tena nanova ny fiainako ny fahitako izany” hoy izy nahatsiaro. “Andriamby ho an'ny LGBTQIA+ avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao i San Francisco, ary nanome hery ahy hiseho.”
Saingy toa lasa fifohazana mafy ho ahy ny fiverenako tany Sri Lanka ny taona 1990. ” Tsapako fa heloka bevava ny maha- anisan'ny vondrom-piarahamonina LGBTQIA+ ahy any” hoy izy nanazava. Na dia natahotra aza izy, nanohana azy hatrany ireo ray aman-dreniny. “Tsy misy takalo na sanda ny fitiavan-dry zareo ahy ary nampatsiahiviny fa na iza tiako na iza dia mety amin'izy ireo rehefa tsy mandratra ny hafa aho,” hoy izy. Io fanohanana io no antony mbola nampijoro azy.
Nihamafy ny fahavononan'i Rosanna hiandrandra fiovàna rehefa tsapany ny zava-misy henjana amin'ny rafi-pitsaràna ao Sri Lanka : ” Ny fehezan-dalàna manafay eto dia manameloka ny firaisana ara-nofon'ny samy lahy na samy vavy efa nifanaiky, ary nihevitra aho fa tsy maintsy hiova izany. Saingy ny toe-tsaina mihitsy aloha no mila fiovàna.”
Tamin'ny taona 2004, niara namorona ny EQUAL GROUND i Rosanna, fikambanana voalohany indrindra mpiaro ny zon'ny LGBTQIA+ tao Sri Lanka. Mihoatra lavitra noho ny fanavaozana ara-pitsarana ny ezaka vitan'ny EQUAL GROUND, izay mifantoka kokoa amin'ny fanabeazana sy ny fiarahan-dia.
Our aim was clear: fight to decriminalize same-sex relationships while challenging societal mindsets. We wanted to create a world where everyone could live without fear or prejudice. We encouraged friends, family, and community leaders to be vocal in their support of LGBTQIA+ rights. Building a network of allies is critical to dismantling hate.
” Nazava ny tanjonay : miady hanesorana tsy ho heloka bevava ny fiarahan'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, na dia manohitra ny fomba fisainana eo anivon'ny fiaraha-monina aza. Te hanangana tontolo iray tsy misy tahotra na fahavoazana izahay. Ary amporisihinay ny namana, na fianakaviana na ireo mpitarika vondrom-piaraha-monina hijoro hatrany hiaro ny zon'ireo LGBTQIA+. Tena ilaina hanafoanana tanteraka ny fankahalàna ny fananganana tambajotran'ny mpiara-dia.”
Nahazo fandresena goavana ara-pitsarana ihany koa ny fikambanana. Fandresena miavaka azon'i Rosanna tamin'ny taona 2021 ny ady ara-pitsaràna nanoloana fanamarihana manavakavaka nataon'ireo mpampiofana polisy. “Nampakatra ny raharaha izahay ary nandresy,” hoy izy. “Nodidian'ny Fitsarana ny polisy hametraka torolàlana mahakasika ny fomba ifaneraserana amin'ny olona LGBTQIA+ ary mandràra ireo teny mandratra. Dingana lehibe izany.”
Fotoana manadanja iray hafa ny raharaha 2018 CEDAW izay nanohitra ny lalàm-panavakavahana ao Sri Lanka. ” Naharitra efa-taona ny fiomanana” hoy i Rosanna “Saingy nataonay izany, ary tamin'ny taona 2022, nahazo didim-pitsaràna nametraka fiandohana ho fitaratry ny hafa manerantany izahay.” Nisy fiantraikany mahery vaika izany, toy ny fanomezam-bahana anay ao amin'ny vondrom-piaraha-monina.
Raha ny marina, araka ny tantaran'ny didim-pitsarana tamin'ny taona 2022, niandany tamin'ny Flamer-Caldera ny Firenena Mikambana tamin'ny raharaha mahakasika fandraràn'i Sri Lanka ny fifanakaikezana akaiky amin'olona mitovy fananahana, izay mihevitra azy io ho fanitsakitsahina ny zon'olombelona. Nitondra ny zon'ny LGBTQ+ ho raharaha politika voalohany tao Sri Lanka io fanapahan-kevitra io, ary nanosika mpanao lalàna iray hametraka volavolan-dalàna tsy ho heloka intsony ny fiarahan'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy . Na dia nanambara tsy hanohitra ny fanitsiana aza ny prezidà Ranil Wickremesinghe, dia napetraky ny fitsaràna an-tampony ny tsy mampifanaraka azy amin'ny lalampanorenana. Niaraka tamin'ireo fikambanana hafa tamin'ny fanangonan-tsonia ho fanohanana ilay volavolan-dalàna ny EQUAL GROUND, fikambanan'i Flamer-Caldera mpiaro ny zon'ny LGBTQ+, ka niròna nankany amin-dry zareo ny fitsaràna tamin'ny herintaona, nanokatra ny lalana ho amin'ny fampandaniana izany ao amin'ny Parlemanta.
Misary antsaina indray ny fahefana sy fanantenana amin'ny hoavy
Vinanin'i Rosanna ny mba hanekena ny zon'ny LGBTQ+ ho tahaka ny zon'olombelona. “Mamorona mpiara-miasa izahay ary manangana tambajotra fanohanana isan-tsokajiny amin'ny sehatra rehetra, anisany ny fizahantany”, hoy izy nanazava “Mety hanova zavatra maro na ny sehatra ara-toekarena ho an'i Sri Lanka, indrindra amin'izao fotoan-tsarotra izao, ny fizahantany LGBTQ+.”
Na dia eo aza ny fihemorana ankapobeny, toy ny fihenan'ny famatsiam-bola avy amin'ireo tsara sitrapo manerantany ; mbola tsy very fanantenana ary voatonona ho Freethinker 2024 tao amin'ny olona zato mahasintona olona indrindra ao amin'ny gazetiboky TIME tamin'ny taona 2024 i Rosanna. “Nandalo fotoan-tsarotra izahay fa tafavoaka tao.”Raha misy vondrona iray voatafika, fotoana sisa andrasana dia lasibatra ihany koa ny hafa. Tsy maintsy miray hina isika mba hampitsaharana izany ranomodin-doza izany.” hoy hatrany izy.
Nasongadin'i Rosanna ihany koa ny anjara asan'ny fandaharanasa DEI (Diversity, Equity, and Inclusion) ho an'ny fanovàna. “Nanome fiofanana ho an'ny mpiasa maherin'ny 50.000 amin'ny orinasa 150 izahay.” hoy izy. “Hanova ny fomba fisainana eny anivon'ny toeram-piasana sy sehatra azo antoka ho an'ny olona LGBTQIA+ ny fandaharan'asa natao tamin'izany.”
Diabe miaraka aminay
Mariky ny herin'ny faharetana sy ny fitiavana, rehefa tojo sedra ny tantaran'i Frank Mugisha. Mazava ny antsony hanao hetsika, rehefa miara-mijoro : “Ndeha ho atao hetsika tsimifanavaka izy ity. Sahia mijoro ho an'ny zon'ny LGBTQ, ny zon'ny vehivavy, ary ny fitovian-jo na aiza na aiza. Ho foana ho azy ny fankahalana ary afaka hanangana tontolo iray ahafahan'ny tsirairay miaina an-kahalalahana tsy mifampitsara na mifanenjika amin'ny maha izy azy, raha miaradia isika.”
Miraikitra ao anatin'ny toe-tsain'i Rosanna Flamer-Caldera io firaisankina manerantany io. Nanomboka nahatsapany ny fiziany ao amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ tao San Francisco ka hatramin'ny fiverenany tao Sri Lanka niatrika ireo zava-misy henjana sy fanamelohana samihafa. Tsy mbola nitsahatra ny tolon'i Rosanna ho an'ny rariny an-taonany maro ary nahitana vokatra. Ny fianakaviany rahateo nanohana azy hatramin'ny farany, lasa mpiaro ny zon'ny LGBTQ+ ao Sri Lanka izy, ary voaporofo fa azo atao tsara ny fanovàna na dia miaina anaty tontolo manodidina tena sarotra aza.
Tamin'ity taona ity, niaradia ny roa tonta nanatevin-daharana ny tetikasa #MarchWithUs , ary nanamafy ny antso ho an'ny rariny. Ndao hiara-dia satria natao ho an'ny rehetra ny fahafahana.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/05/17/174708/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha-25
| 2025-05-17T05:04:46
|
Unknown
|
Eo amin'ny sary, sariitatra nataon'i Donatien Koagne, ilay feyman goavana indrindra; pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Naja TV
Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna saingy indraindray miova tanteraka ny heviny.
Hita eto avokoa ireo fizaràna rehetra nataonay teo aloha : Les mots ont la parole .
Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay:
浪漫 : tononina hoe làng màn amin'ny fiteny shinoa mandarin, raha ny marina, ity voambolana ity dia fampifanarahana ny feon'ny voambolana frantsay ‘romantique’. Ny endri-tsoratra voalohany dia midika hoe ‘onja’ ary koa ‘mandanilany fahatany’. Ny faharoa dia midika hoe ‘malalaka’ na ‘manafotra rano’.
Anatin'ity lahatsary ity, an'ilay kintana taioaney Jay Chou, izay ankafizina manerana ny tontolo miteny shinoa, ny lohatenin'ny hira – izay nahazo jery mihoatra ny fito tapitrisa – dia 浪漫手機 izany hoe ‘ le portable romantique ’ – ilay finday rômantika:
Feyman : dia voambolana avy amin'ny kameroney ary manondro mpisoloky avo lenta iray . Matetika ny hoe “feyman” dia faritana ho toy ny mpisandoka na mpanao majika izay mihambo ho manana hery hampitombo isa ireo vola taratasy. Donatien Koagne , teratany kameroney, no iray amin'ireo tranga tena malaza indrindra: lasa lohahevitra nianarana any amin'ny SciencesPo mihitsy aza ny fahaizany mandresy lahatra sy ireo hakingany manao majika, ka namoahana tatitra iray momba azy. Marobe ireo filohampirenena ao Afrika , ireo anarana malaza anatin'ny tontolo pôlitika sy ny tontolon'ny fandraharahàna no efa lasibatr'i Donatien Koagne.
Mariachi: ity voambolana espaniôla meksikàna ity dia mety ho avy amin'ny voambolana frantsay hoe “mariage”. Ny 1863 hatramin'ny 1867, niaina ny Ampira Faharoa-ny i Meksika, fitondram-panjaka iray araka ny lalàm-panorenana napetrak'ireo mpanjaka meksikàna notohanan'ny Ampira Faharoa fony vanim-potoanan'i Napoléon. Nanasa tarika hanafàna ny fampakarambadin-dry zareo ireo Frantsay, tena mpankafy ny mozika nentindrazan'ireo Meksikàna tantsaha izay matetika dia zavamaneno misy tadiny no ilalaovana azy. Araka izany, ilay voambolana frantsay dia lasa hoe “ mariachi ”, tononina amin'ny fiteny meksikàna.
Ity mozika ity dia avy any amin'ny faritr'i Jalisco any andrefan'i Meksika, ary mitondra ny anarana hoe “feo jaliscience ”.
Ity lahatsary ity no maneho ny haren'io lova mozikaly io:
Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizaràna ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org ou jean.dedieusovon@globalvoices.org
|
https://mg.globalvoices.org/2025/05/14/174683/
|
Laharana erantany nomen'ny Reporters Sans Frontières: nihemotra be i Afrika mampiasa sy miteny frantsay
| 2025-05-14T08:21:55
|
Unknown
|
Fampirantiana gazety an-tsoratra marobe ao Kamerona: Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube France 24
Sahirana mafy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety manerana izao tontolo izao. Ny fanomezana laharana 2025 avy amin'ny fikambanana Reporters Sans frontières (RSF) no manamafy io fitontonganana manerantany io, fa mba ahoana ny amin'ireo firenena mampiasa sy miteny frantsay?
Ny 2 May 2025, navoakan'ny Reporters sans frontières (RSF) ho fantatry ny rehetra ny fanomezany laharana ny toedraharaha momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety manerana izao tontolo izao. Marihan'ilay tatitra tamin'ity taona ity ny fahalemena ara-bola , mahatonga ny asa fanaovana gazety ho tena nanahirana. Izany dia manampy trotraka ireo tsindry maro efa voarakitra tao anatin'ny tatitra RSF tamin'ny 2024.
Ny taona 2025, niharatsy tanteraka ny toejavatra ho an'i Afrika atsimon'i Saharà, indrindra fa ho an'ny tontolo mampiasa sy miteny frantsay. Manampy an'ireo fandrahonana sy tsindry pôltika , toy ny any amin'ny faritra hafa eto an-tany ihany, ny faharefoana ara-bolan'ireo vondrona media.
Fanaovana ho fitaovana ny milina ara-toekarena
Lasa tsy hita firy ao Afrika amin'ny ankapobeny ireo gazety tsy miankina. Indrindra fa ny fahavelomana ho an'ny ankamaroan'ireo media dia miankina amin'ny vola ampidirin'ny dokambarotra, izay mazàna no mivangongo eny an-tànan'ireo rafitra karamain'ny fanjakàna.
Araka izany, tao anatin'ny taona iray dia nihemotra avy any amin'ny laharana faha-113 i Togo ka lasa faha-121 ao anatin'ilay tatitry ny RSF. Ao anatin'io toejavatra tsy azo ihodivirana io, ho fankalazàna ny andro erantany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ankalazaina rehefa 3 May, Narcisse Prince-Agbodjan, sekretera jeneralin'ny sendika nasiônalin'ireo mpanao gazety tsy miankina ao Togo (SYNJIT) dia namoaka tsanganana iray izay niampangàny ny fandemena ireo orinasa fanaovana gazety hitovy laharana amina orinasam-barotra, ary nantsoiny haneho ny hasosorany ireo Tôgôley mpanao gazety :
[…] mandohalika ny gazety tsy miankina eto amin'ny firenentsika. […]Efa mirodana sahady ny toekaren'ny media, na dia mbola any am-bohoka aza, ary miaraka aminy, ny hasin'ilay asa.
Maro ny gazety voatery hanakatom-baravarana. Ireo izay mbola mijoro vonjimaika dia fanontàna mitsitaitaika sisa no mampiavaka azy. Mitsakaraka anaty toejavatra sarotra ny asa fanoratana. Eo anelanelan'ny faharefoana ara-toekarena, ny hetra mahery setra, ny tsy fahampian'ny tohana avy amin'ny fanjakàna, ny famoretana sy ny fivakisana nomerika, toa tsy misy mpiraharaha ireo media tôgôley. Kanefa, iraka fanefàna asa ho an'ny daholobe no efain-dry zareo. Tsy misy azo anamarinana ny fanapahankevitra hanerena azy ireo hanaraka ny rafitra hetra mitovy amin'ny an'ireo orinasam-barotra tsotra.
Nihemotra kely ihany koa i Bénin : avy amin'ny toerana faha-89, lasa faha-92 tamin'ity taona ity. Nandritra ny antsafa iray nifanaovany tamin'ny Afrik.com , nambaran'ny RSF fa miatrika fitsabahana mahery vaika ataon'ny pôlitika ireo gazety ao Bénin. Ao anatin'ilay tatitra 2025 nataony, tombanan'ilay fikambanana ihany koa hoe mampihatra vahoho ara-toekarena amin'ireo media ny fanjakàna ao Bénin . Ny manazava izany dia ny fomba fitsinjaràna ireo fifanarahana dokambarotra omena ny media, araka ny fanazavan'ilay tatitra :
Ny tsy fahitàna ireo orinasa goavana misahana asa fanaovana gazety no manamarika ny tontolon'ny haino-vaky-jery. Tsy antenaina ho ela velona ny ankamaroan'ireo haino-vaky-jery ary miatrika ny fahateren'ny tsenan'ny dokambarotra. Mba tsy hanomezana fifanarahana dokambarotra ho an’ ireo haino-vaky-jery mpanakiana azy dia tsy tapaka mampiasa ny fahefany ny fanjakàna.
Nihemotra toerana iray i Kamerona : avy amin'ny laharana faha-130 lasa faha-131 ny taona 2025. Manoloana ireo fepetra sarotra hanatanterahana ny asa, sarotra ho an'ireo Kameroney mpanao gazety ny hieritreritra asa matianina. Fanohanana asa fikarohana hahazoana doctorat, nataon'i Hervé Tiwa tamin'ny Febroary 2025, tao amin'ny Sekoly ambony fianarana ny siansa sy teknikan'ny fampitambaovao sy ny fifandraisana – École supérieure des sciences et techniques de l’information et de la communication (Esstic) ao Yaoundé, Kamerona no manamafy izany. Manome sary tena mampanahy ilay asa fikarohany nomeny lohateny hoe « Presse écrite, management médiatique et construction de la précarité des journalistes au travail : une analyse socio-économique des entreprises à capitaux privés au Cameroun », araka ny voalazan'ny tranonkala “ Le quatrième pouvoir “:
(…) mampanahy ny zavamisy ara-toekarena ao amin'ilay sehatra. Marobe ny zava-manahirana : fahalafosan'ny sandan'ny famokarana, tambajotram-pitsinjarana tsy mahomby, karàma tsy ara-dalàna na tsy misy mihitsy aza. Io toejavatra sarotra io dia misy fiantraikany lalina amin'ny hasin'ireo mpanao gazety sy ny kalitaon'ny vaovao.
Tsy afa-bela tamin'ity fironana ity i Maoritania , nefa dia nofaritan'ny RSF ho ny tena malalaka tao Afrika tamin'ny 2024. Avy amin'ny faha-33 erantany, lasa faha-50 ho an'ny taona 2025; azo tsapain-tànana ilay fijotsoana . Araka izany dia very toerana 17 ilay firenena ary fanitsakitsahana sy fandrahonana no manamarika ny andavanandron'ireo Maoritaniàna mpitatitra vaovao, indrindra fa ireo mpanao gazety mpanadihady.
Niala tamin'ny laharana faha-53 ary lasa faha-64 koa i Côte d'Ivoire ; nihemotra toerana 13 ihany koa i Madagasikara , avy amin'ny faha-100 lasa faha-113 ho an'ny taona 2025 ; ary i Tchad teo amin'ny faha-96 lasa faha-108 ho an'ny taona 2025.
Any amin'ireo firenena miaina fifandonana, vao mainka rotika ireo haino-vaky-jery. Very toerana folo ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC), lasa faha-133. Ny firongatry ny fanitsakitsahana tato ho ato vokatry ny ady ao Kivu Avaratra, any amin'ny atsinanan'ilay firenena, dia kapoka mandrivorivo atao an'ireo haino-vaky-jery sy ireo mpanao gazety izay voatery manakatona varavarana mba ho fanavotana any ainy.
Firenena ambany fitondràna miaramila
Amin'izao fotoana izao, ahitàna firenena dimy eo ambany fitondràna miaramila ao Afrika, ka ny efatra amin'izany dia any amin'ny tontolo mampiasa sy miteny frantsay ao Afrika Andrefana sy ao Sahel Afovoany: Ginea, Borkina-Fasô, Mali ary i Nizera.
Avy amin'ny toerana faha-78 tamin'ny 2024 lasa faha -103 ho an'ny taona 2025 , fijotsoana nahery vaika no niainan'i Ginea ao amin'ilay filaharana, very toerana 25. Porofoin'io toerana io ny fankahalàna ataon'ny fitondràna tetezamita miaramila amin'ny asa fanaovana gazety. Ireo mpiasan'ny haino-vaky-jery no manefa be, lasa iharan'ny herisetra, fisambontsamborana fahatany ary fandrahonana ho faty.
Very toerana 19 i Borkina Fasô : faha-105 tamin'ity taona ity raha faha-86 tamin'ny 2024. Mali very toerana 5 tao anaty filaharana. Nizera nidina toerana telo ao anaty filaharana. Hatramin'ny nahatongavan'ireo tafika teo amin'ny fitondràna, lasa zavatra mahazatra ny fandrahonana, fanafihana ary ny fanagadràna. Any amin'ireo firenena telo mampiasa sy miteny frantsay ao Sahel ambany fitondràna miaramila ireo, tsy manome antoka ho fiarovana ny mpanao gazety mihitsy ny fikorontanana pôlitika, ny tsy fandriampahalemana misy ifandraisany amin'ny fisian'ireo vondrona mitam-piadiana.
Tranga roa maningana: Gabôna sy Senegal
Raha ao Afrika no ahitàna ny fahasimbàna lehibe indrindra amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, dia mbola misy kosa anefa tsirim-panantenana roa. Teo ambany fitondrana tetezamita izay vao nifarana niaraka tamin'ny nahalàny ny filohampirenena vaovao, Gabôna , teo amin'ny laharana faha-56 tamin'ny 2024, dia nitsambikina tafakatra ho amin'ny laharana faha-41, lasa ho ny firenena afrikàna tsara toerana indrindra ao anatin'ilay fanomezana laharana .
Zaza hendry i Sénégal , faha-74 ao anatin'io fampilaharana 2025 nomen'ny RSF io, nahazo toerana 20 raha mitaha amin'ny toerana faha-94 nisy azy tamin'ny 2024. Io fivoarana io dia vokatr'ireo fanavaozana nirosoan'ny fitondran'i Bassirou Diomaye Faye , hatramin'ny niakarany teo amin'ny fitondràna tamin'ny Aprily 2024. Na izany aza, ao amin'io firenena io, miatrika fitsirihana momba ny hetra ireo orinasa misahana haino-vaky-jery, araka ny soritan'ny RSF ao anatin'ilay tatitra nataony.
Etsy ankilany, ny République Centrafricaine koa dia nitsambikina niakatra toerana efatra, niala tamin'ny faha-76 ka lasa faha-72 tamin'ity taona ity.
Amin'ny ankapobeny, ny fanomezana laharana 2025 nataon'ny RSF dia fisintonana lakolosy fanairana, satria raha tsy misy zavatra atao, ho nofinofy sisa ny fahaleovantenan'ny haino-vaky-jery.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/05/05/174592/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #24
| 2025-05-05T12:08:35
|
Unknown
|
Sarinà voanà karité ; pikantsary avy ao amin'ny fantsona YouTube Africanews
Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna saingy indraindray miova tanteraka ny heviny.
Hita eto avokoa ireo fizaràna rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole .
Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay:
Avoir du flow : ity fomba fiteny manafangaro ny frantsay sy ny anglisy hoe “flow” izay midika hoe “mikoriana, miboiboika” ity dia manondro ny kolontsaina rap izay ahitàna voambolana anglisy marobe. Ao anatin'ny tontolon'ireo rappers, ny “flow” dia fitanisàna/fanambaràna, na koa ilay hetsika famoronana araka ny asehon'ity lahatsary ity :
Avy eo ilay voambolana dia nikisaka naka ny hevitry ny hoe karazana. Araka izany, ankehitriny ny hoe “ avoir du flow ” dia mitovy amin'ny “ avoir de la classe “, “ avoir une certaine allure ” (milay), araka ny hazavain'ity lahatsary ity .
Karité : ity voambolana manam-piaviana wolof ity dia tafiditra anatin'ny teny frantsay fampiasa andavanandro any anatin'ilay fomba fiteny hoe “ beurre de karité” , vokatra iray fanatsaràna tarehy ahosotra amin'ny hoditra. Ity hazo mamony ity dia mamokatra “amandes” izay ny zavatra alaina aminy dia manome voakatra matavy, ampiasaina hamokarana menaka fampiasa an-dakozia, fa koa ho an'ireo vokatra fanatsaràna tarehy. Ny voambolana (kaarité), raha ny marina, dia nindramina avy amin'ny fiteny soninké izay milaza io vokatra io ho ‘xarite’.
Asehon'ity lahatsary ity ny dingana izoran'ny fanamboarana “ beurre de karité” ao Mali:
Shit : Raha amin'ny fiteny anglisy, ity teny ratsy ity dia midika hoe indrindra indrindra hoe “tay”, amin'ny fiteny frantsay dia voambolana nafarana izy ho entina milaza, amin'ny fomba tsy manara-penitra saingy matetika , ny cannabis . Porofo fa be mpahafantatra tsara ilay fomba fiteny. Ao anatin'ny raharaham-pitsaràna iray, ny sehatra Telegram dia voampanga ho niray tsikombakomba tamin'ny famarotana cannabis rehefa mora foana tamin'ny pôlisy ny nahita tao vondrona iray, mavitrika saingy tsy tsikaritr'ireo mpandrindra, izay ny anarany dia nampiasa io voambolana io, heverina ho toy ny “tenifototra iray mifandray amin'ny famarotana vokatra avy amin'ny rongony». Nomarihan'ireo mpitsara fa «Izay rehetra mahay miteny frantsay dia mahafatatra daholo ny voambolana ‘shit’, na tsy mpihinana cannabis aza».
Amin'ny fiteny anglisy, afaka manondro zavatra maro izy, arakaraka ny toejavatra misy – “zavatra iray, raharaha iray, tsiranoka iray, zavatra iray manahirana na ratsy kalitao – fa amin'ny ankapobeny dia fiteny manevateva izy, tsy fahalalam-pomba mihitsy aza. Manazava ny fisafidianana ny voambolana tahàka izany ny endriny heverina ho ratsy na manakorontana. Toy ny an'ny “ deal ”, mety ho lasa lamaody ny fisafidianana ilay voambolana anglisy, vokatr'ireo andian-tantara iraisampirenena sy ireo votoaty an-tserasera. Hita io voambolana io any anatina hira marobe, izay mazàna manana endrika fanesoana.
Hita anaty hira marobe ny voambolan Shit , izay matetika manana endrika maneso, ohatra ity lahatsary ity :
Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizaràna ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org na jean.dedieusovon@globalvoices.org
|
https://mg.globalvoices.org/2025/05/08/174602/
|
Fodiamandrin'ilay Kôngôley fîlôzôfa V.Y. Mudimbe, nanoratra ilay sombintantara malaza ‘L'invention de l'Afrique’
| 2025-05-08T07:00:29
|
Unknown
|
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube-n'ny RFI .
Tamin'ny 1941 i Mudimbe no teraka tao Kôngô Belza – ny RDC ankehitriny – ary taorian'ny fotoana fohy nanaovany ny asa nitondra azy ho lasa pretra, dia nitodika tany amin'ny filôzôfia izay nianarany tany Belzika tany amin'ny taona 60-70 tany ho any. Avy eo izy nody tao RDC, firenena iray nahaleotena nanomboka tamin'ny 1960 , saingy nilaozany nony tonga ny 1979, toy ireo marobe nanohitra ny fitondran'i Mobutu Sese Seko . Nanao sesitany ny tenany tao Etazonia izy, toerana nanombohany ny asa maha-profesora teny amin'ny oniversité.
Misaintsaina momba ny fanjanahantany
Ny tena ahafantarana an'i Mudimbe dia ireo asa sorany mampisaintsaina izay manamarika ireo fandalinana taorian'ny fanjanahantany sy nampiasaina ho tondro ho an'ireo rehetra fandalinana io tranga ara-tantara sy ara-pôlitika io, izay ny vokany dia mbola tsapa mandraka ankehitriny. Amin'ireny boky ireny, voasoratra amin'ny fiteny frantsay, na tamin'ny fiteny anglisy mivantana, tsy azo hadinoina ny “ The Invention of Africa ” (Ny namoronana an'i Afrika), nivoaka tamin'ny 1988. Araka ny lahatsoratra eo amin'ny fonon'ilay boky :
What is the meaning of Africa and being an African? What is and what is not African philosophy? Is philosophy part of Africanism? […] Western anthropology and missionaries have introduced distortions not only for outsiders but also for Africans trying to understand themselves. Mudimbe goes beyond the classic issues of African anthropology or history. He says that the book attempts an archeology of African gnosis as a system of knowledge in which major philosophical questions recently have arisen.
Midika inona ny hoe Afrika sy ny maha-afrikàna? Inona no atao hoe filôzôfia afrikàna ary inona no tsy izy ? Ampahany ao anatin'ny afrikanisma ve ny filôzôfia ? […] Nampiditra familivilian-dresaka ny antrôpôlôjia tandrefana sy ireo misionera, tsy ho an'ireo vahiny fotsiny, fa koa ho an'ireo Afrikàna izay mikatsaka ny hamantatra ny aminy. Nihoaran'i Mudimbe ireo fanontaniana mahazatra ny antrôpôlôjia na ny an'ny tantara afrikàna. Hamafisiny fa io boky io dia manolotra arkeôlôjia momba ny ‘ gnose ‘ afrikàna amin'ny maha-rafi-pisainana iray izay vao tsy ela akory izao no nipoitra avy tao ireo fanontaniana filôzôfika goavana.
Mudimbe dia mametraka fanontaniana tokoa hahalalàna izay fomba hanesorana ilay antsoiny hoe “tranombokin'ny fanjanahantany”, izany hoe ny fahalalàna niforona nandritra ny vanimpotoana fanjanahana, izay mitohy manefy ireo kabary momba ny maripamantarana afrikàna. Ity lahatsary ity , elanelanin'ny antsafa iray tamin'ny fiteny anglisy nifanaovana tamin'i Mudimbe, dia manome famintinana iray momba ireo hevi-dehibe avy ao amin'io boky io:
Amin'io lafiny io ny asa famoronana tantara nataon'i Mudimbe dia manjohy ireo fanontaniana napetrany momba ny fifandanjan-kery, ny dindon'ireo firehankevitra (ideôlôjia) sy ny mety hananan'ny isambatan'olona safidy ao anaty toejevatra iray faran'izay henjana.
Fanehoankevitra
Ao RDC, ny fahalasànan'ity olo-malazan'ny literatiora kôngôley sy afrikàna ity dia mamela fahabangàna goavana, araka ny fijoroana vavolombelona avy amin'i Delly Sesanga Hipungu , mpisolovava sady teratany avy ao RDC, tao amin'ny kaontiny X:
J’ai appris avec tristesse la disparition de Valentin Yves Mudimbe. Avec lui, la RD Congo vient de perdre un de ses dignes fils, un de ses meilleurs esprits, un géant, intellectuel brillant, vif et perspicace. Le continent en général perd une voix essentielle et critique de la pensée africaine. Son œuvre, notamment « L’odeur du père » et « L'Invention de l'Afrique », qui ont aiguisé mon sens critique dans l’approche de l’Afrique, a profondément marqué notre continent et le monde dans la compréhension du colonialisme et de la singularité de l'identité culturelle africaine. Mudimbe a su éclairer, pour des générations, les luttes et les aspirations des Africains avec une profondeur et une sensibilité inégalées. Sa sagesse et son héritage continueront d'inspirer des générations. Repose en paix, cher Mudimbe.
pic.twitter.com/iCQy4Q0RYA
— Delly SESANGA HIPUNGU (@DSESANGA) April 22, 2025
Tamin'alahelo no nandrenesako ny fahalasanan'i Valentin Yves Mudimbe. Miaraka aminy, namoy ny iray amin'ireo zanany lahy mendrika, ny iray amin'ireo fanahy lafatra, olona goavana, manampahaizana mamiratra, mavitrika sy mazava saina tao aminy i RDC. Ny tanibe amin'ny ankapobeny no namoy feo iray tena ilaina sy mpikirakira ny fomba fisainana afrikàna . Ny asa sorany, indrindra fa « L’odeur du père » sy « L'Invention de l'Afrique », izay nandrainitra ny fahaizako mitsikera ny fomba fijery an'i Afrika, dia tena nanamarika be ny kaontinantantsika sy izao tontolo izao tao anatin'ny fahatakarana ny maha-tokamiavaka ny maripamantarana ara-kolontsaina afrikàna. Hain'i Mudimbe ny nanazava, ho an'ireo andian-taranaka maro, ireo tolona sy hetahetan'ny Afrikàna niaraka tamina halalina sy fahatsapàna tsy manam-paharoa. Hitohy hanainga fanahy ireo andian-taranaka maro ny fahendreny sy ny lova napetrany. Mandria am-piadanana, ry Mudimbe malala.
pic.twitter.com/iCQy4Q0RYA
— Delly SESANGA HIPUNGU (@DSESANGA) 22 Aprily 2025
Any ivelan'ny sisintany kôngôley, tao Belzika sy Etazonia no noderaina ny fahatsiarovana azy. Tao amin'ny faritry ny oniversite katôlikan'i Louvain, toerana nianarany sy nampianarany, Martin Vander Elst, mpampianatra mpamita iraka, nantsoina ho ao amin'ny sekoly fianarana ny resaka heloka bevava (UCLouvain) sy Aurore Vermylen, Post-doctorante ao amin'ny laboratora momba ny antrôpôlôjia “Prospective” sy ao amin'ny Ivontoerana fandalinana krizy sy fifandirana iraisampirenena (UCLouvain) dia namoaka, tamin'ny 29 Aprily, lahatsoratra iray fanomezana voninahitra azy :
Mbola manandanja amin'izao fotoana izao ny tsy fanaraham-pitsipika ara-tsaina nampiharin'i Mudimbe mba hitrandrahana ireo fahalalàna narafitry ny tandrefana ho entiny manakatra ny nahatonga ny fiforonana ara-tantaran'ireo karazana endrika fanapahana (na fibahanan-toerana ).
Taty aoriana kely, oniveriste roa no naneho ny fanirian'izy ireo hikarakara fikaonandoha iraisam-pirenena ho fanomezana voninahitra an'i Mudimbe:
Amin'ny maha-antrôpôlôgy anay ato amin'ny UCLouvain, ho faly manokana izahay raha toa ny oniversite-nay ka ho afaka ihany hikarakara fikaonandoha fanomezana voninahitra ho fanohizana ny fizaràna ny lova ara-literatiora sy filôzôfikan'i Mudimbe amin'ireo andian-taranaka vaovao izay ho mpanohy azy ireny any aoriana.
Etsy andaniny, i Etazonia dia mankato ireo fandraisana anjara vitany tamin'ny fampianarana tany amin'ireo oniversite amerikàna sy ny lova ara-tsaina miavaka navelany. Ao amin'ny kaontiny X , hoy izy:
Nous rendons hommage à Valentin-Yves Mudimbe, éminent intellectuel congolais et #ExchangeAlumni du programme d'échange #Fulbright du @StateDept , dont les écrits ont profondément marqué la pensée contemporaine. Après son séjour Fulbright et de nombreuses réalisations, il a… pic.twitter.com/yyuv1nW8xm
— U.S.Embassy Kinshasa (@USEmbKinshasa) April 30, 2025
Omenay voninahitra i Valentin-Yves Mudimbé, Kôngôley manampahaizana malaza sady tao anatin'ny fandaharanasa fifanakalozana #ExchangeAlumni – #Fulbright an'ny @StateDept, izay ny asa sorany dia tena nanamarika be mihitsy ny fomba fisainana amin'izao fotoana izao. Taorian'ny fandalovany tao amin'ny Fullbright sy ireo zavabita marobe, izy dia… pic.twitter.com/yyuv1nW8xm
— U.S.Embassy Kinshasa (@USEmbKinshasa) 30 Aprily 2025
|
https://mg.globalvoices.org/2025/05/12/174635/
|
Fahatakarana ny antom-piakaran'ny maripàna ao Nizerià
| 2025-05-12T12:57:04
|
Unknown
|
Arabe iray ao Lagos, Nizerià, izay niaina fidangan'ny maripàna nahery vaika tamin'ny Aprily. Saripika avy amin'ny Pexels . Fampiasàna maimaimpoana.
Nosoratan'i Oluwajomiloju Tooki, Afiyinfoluwa Akinmade ary Oluwatosin Lawrence
Tamin'ny tapaky ny Aprily tamin'ity taona ity, niaina fidangan'ny maripàna tsy mbola nisy tamin'ny tantarany ny tao avaratr'i Nizerià, izay nahatonga fiakarana nihoatra ny 40 °C tany amin'ny faritra marobe ary hatramin'ny 42 °C mihitsy aza tany amin'ny tanàna sasany .
Manahy mafy ankehitriny ireo teratany nizeriàna, ireo mpitsabo, ny mpahay siansa momba ny tontolo iainana, manoloana ny maripàna ambony tafahoatra sy ny fiantraikan'izy ireny amin'ny vahoaka. Ny Nigerian Meteorological Agency (NiMet) dia namoaka fampitandremana mba hiarovana ny olona amin'ny loza mety hateraky ny hafanàna, no sady nanoro hevitra ny mponina mba hikaroka fomba hijanonana hangatsiatsiaka hatrany ary hifehezana ny hafanan'ny vatana.
Ireo maripàna ambony dia nihoatra lavitra ny fiovaovana ara-dalàna isaky ny vanimpotoana ary raha mitohy ilay tranga dia mety ho fambara zava-mahazatra iray vaovao hampidi-doza. Tsy nitsahatra nitombo isantaona ny haavon'ny maripàna tao Nizerià , ary niharatsy ny toedraharaha tato anatin'ny taompolo vitsy lasa . Ilay fisondrotana dia azo lazaina ho noho ny fiovàn'ny toetrandro noho ny nataon'ny olombelona , izay ny tena manosika izany dia ny fitiavam-bola, ny fanangonan-karena, ary ny fanontoloana . Amin'ireny olona marobe mpiteraka ny fiovaovàn'ny toetrandro ireny, ny mpisehatra goavana indrindra dia ny mpitrandraka arintany, solika fôsily ary entona, satria an-dry zareo ny mihoatra ny 90% amin'ny famoahana entona karbônika .
Antony iray ihany koa ny fandripahana ala, izany hoe “ ny fikapàna na fandiovana ala ataon'ny olombelona ”. Noho ny firoboroboana goavana amin'ny tahan'ny fanorenana indostria erantany, misy ny fitomboan'ny filàna loharanon-karena voajanahary toy ny bôksita, hazo, arina, fingotra sy ny maro hafa, izay manosika ireo mpanamboatra hihazakazaka tsy misy firaharahàna handringana saha sy ala manontolo .
Araka ny lazain'ny Firenena Mikambana , i Nizerià no manana ny taha avo indrindra eto an-tany amin'ny fanimbàna ny ala, tombanana ho ny 3,7% amin'ny ala ao aminy no fongana isantaona. Tamin'ny 2020 fotsiny, nandritra ny valanaretina COVID-19 sy ny fihibohana erantany, voalaza ho fitambarana 97.8 kilohektara tamin'ny ala voajanahary no fongana noho ny fandripahana ala , mitovy amin'ny 59,5 taonina metrika amina entona karbônika. Nitatitra ny Nigerian Conservation Foundation (NCF) fa 96 isanjato amin'ny ala trôpikaly tao amin'ilay firenena tany am-boalohany no fongana noho ny fandripahana ala.
Mpitevy ala iray nanapaka hazo. Saripika avy amin'i Halimatishiaq tao amin'ny Wikimedia Commons ( CC BY-SA 4.0 Deed ).
Amin'ny maha-firenena mpamokatra solika betsaka indrindra azy ao Afrika sy faha-14 goavana indrindra erantany, olana ihany koa ao Nizerià ny halehiben'ny velaran'ny fandefasana entona avy amin'ny indostria sy ny fandoroana solika fôsily. Tamin'ny 2018 monja, notombanana ho 7,4 lavitrisa metatra toratelo ny entona voadotra tao Nizerià, mametraka azy ho laharana fahafito lehibe indrindra erantany amin'ny fandefasana entona voadotra. Ho an'ny taona 2022, ny fandefasana entona karbônika tao Nizerià dia voatombana ho 122.750.410 taonina . Na nahitàna fidinana 0,35 isanjato aza rehefa ampitahaina amin'ny taona teo aloha, mbola midangana be ihany ireo tarehimarika, indrindra rehefa ampitahaina amin'ny an'ireo firenena hafa ao amin'ny faritra. Io elanelana goavana io dia noho ny fiankinandohan'i Nizerià amin'ny entona sy solika .
Raha marobe ireo firenena no niroso tamin'ny tetezamita ho amin'ny loharanon'angovo maitso izay mamoaka entona karbônika kelikely kokoa, zara raha nihetsika kosa i Nizerià, miaraka amin'ny ankamaroan'ireo milina sy fitaovana mbola miankina amina loharanon'angovo maloto. Tamin'ny 2022, nanodidina ny 40 isanjato amin'ny tokantrano ao Nizerià no nampiasa vondrom-pihary herinaratra mandeha amin'ny entona mba hamenoana ny filàn-dry zareo angovo, ary nitontaly 14 lavitrisa dôlara no lany nividianana solika . Mety hitarika amin'ny fahasimban'ny sosona ôzôna sy fiakaran'ny maripàna erantany ny entona mampitombo hafanàna, fa koa manaratsy ny kalitaon'ny rivotra izy ireny ary mety hitondra fiantraikany ratsy amin'ny fahasalamàna any amin'ireo vondrom-piarahamonina ianjadiany .
Climate Knowledge Portal dia mino fa raha jerena ny tahan'ny fandefasana entona erantany amin'izao fotoana izao, mety mbola hitombo 2,9 °C ny maripàna, ary mety hahatratra 5,7 °C mandrapahatongan'ny faran'ity taonjato ity. Amin'io toejavatra io, ny onjan-kafanàna toy ny ao Nizerià tamin'ny Aprily dia hitombo ho lasa matetika kokoa sy hampididoza bebe kokoa.
Mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny fahasalaman'ny vatan'olombelona, mihoatra lavitra noho ny tsy fahazoana aina, ny maripàna avo loatra. Mety hiharan'ny tsy fahampian-drano sy harerahana ateraky ny hafanàna ireo olona mipetraka amin'ny faritra ahitàna maripàna ambony be , ary hitondra mankamin'ny tsy fahazakàna hafanàna izay mety hamono ankizy sy zokiolona, hatramin'ireo olona izay manana olana ara-pahasalamàna. Ny ekipan'ireo mpitsabo dia nitatitra hoe nahita fitomboana mampiahiahy tamin'ny isan'ireo marary tratry ny aretina misy ifandraisany amin'ny tsy fahazakàna hafanàna nandritra ny hafanàna tafahoatra tao Nizerià, nisy vehivavy iray afa-jaza mihitsy aza vokatr'izany. Hiadiana amin'io, nanomboka nanao adisisika ry zareo mba hananana fahazarana misotro rano sy miaro tena amin'ny masoandro. Mijaly noho ny tsindry tsy mitsaha-mitombo mahazo azy ny sampan-draharahan'ny fahasalamana satria ireo aretina mitaiza sy ireo aretin'ny taovam-pisefoana sy ny fo dia lasa miharatsy mandritra ireo volana mahamay rehefa lohataona ao Nizerià.
Marobe ireo torolàlana narafitr'ireo manampahaizana manokana no nanome fomba hampihenàna ny fiantraikan'ireo onjan-kafanàna. Ny misotro rano sahaza, mijanona an-trano mandritra ireo danik'andro, mitafy akanjo maivana sy afaka hivezivezen'ny rivotra, ary ny fampiasàna fitaovana mitera-drivotra sy fandroana amin'ny rano mangatsiaka dia afaka handrindràna ny hafanàn'ny vatana. Ireo vondron'ny marefo, toy ireo olona manaraka fepetra ara-pahasalamàna na ny olona tsy manan-kialofana, dia mazàna atahorana kokoa.
Ireo mpikatroka ho an'ny tontolo iainana sy ireo mpahay siansa dia nandefa lakolosy fanairana sy niantso ny hametrahana pôlitika mivantana sy maharitra momba ny tontolo iainana ao Nizerià. Ny fidangan'ny maripàna hita tany am-piandohan'ity taona ity dia efa saika nanakaiky ny 46,5 °C, haavo ambony indrindra voarakitra tao Yola tany amin'ny taona 2004. Ny tsy fisian'ny hetsika malaky sy hentitra avy amin'ny sehatra rehetra, isan'izany ny fanjakàna, ireo fikambanana mpiaro tontolo iainana, sy ny olompirenena tsotra, dia hamela ny hafanàna tafahoatra hitohy ho loza mitatao ho an'olona maro kokoa.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/05/02/174301/
|
Mbola fanamby goavana ny fambolen-kazo ao Burundi
| 2025-05-02T12:27:03
|
Unknown
|
Fanapahana ny ala ao Borondi. Sary nalain'i Ferdinand Mbonihankuye. Nahazoana alalàna ny fampiasana azy
Lahatsoratra navoaka ao anaty tokotanin-tsehatry ny rariny ara-toetrandro ao Afrika
Manana anjara andraikitra lehibe amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro ny fisian'ny ala noho izy misintona ny etona mangeja hafanana , izay manimba ny sosona ôzôna. Mbola tolona anefa ny famerenana ny tontolo ho maitso ao Burundi, na hita aza ny fanoloran-tena.
Latsaky ny 20 isanjaton'ny velarantanin'ny firenena 27,834 km2 ihany no rakotra ala . Nanamarika ny tatitry ny Global Forest Watch tamin'ny taona 2020 fa :
En 2020, Burundi possédait 465 kha de forêt naturelle, s'étendant sur 17% de sa superficie. En 2023, elle a perdu 2,35 kha de forêt naturelle, ce qui équivaut à 2,41 Mt d'émissions de CO₂.
“Ny taona 2020, nanana ala voajanahary maherin'ny 465.000 hektara, izay nandrakotra ny 17 isanjaton'ny faritaniny i Burundi. Ny taona 2023 nanjavona ny 2.350 hektara tamin'io, izay mitovy amin'ny famoahana etona CO2 hatramin'ny 2,41 tapitrisa taonina.”
Na dia mandrakotra ny iray ampahatelon'ny firenena aza ny ala, mbola tandindonin'ny fandripahana ala ireo zava-maitso ireo. Noho ny asan'ny famaky, tsofa ary ny milina dia lasibatra ny hazo ary milamaka ny tany hambolena vokatra fihinana, na hanamboarana trano na lalana.
Ala tandindonin-doza
Anisan'ny antony voalohany mahatonga fandripahana ala ny fiitaran'ny fambolena. Mihamihena ny tany azo ambolena nefa tsy mitsaha-mitombo ny vava mihinana, kapaina ny ala hanomezan-toerana ny vokatra ara-tsakafo.
Antony iray hafa koa ny solika. Mipetraka any ambanivohitra ny 85 isanjaton'ny Borondey , ary miantehitra amin'ny afo kitay hahandroana sakafo ny ankamaroany, efa ho ny 80 isanjato mihitsy aza.
Miteraka loza hafa koa ny doro ala, matetika niniana natao hahazoana tany hovolena na ihazana. Mbola ratsy kokoa ny toe-draharaha noho ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna sy ny tsy fisian'ny fitsipika mahomby. Manampy trotraka izany ny tinady arina an-tanandehibe. Ilaina loatra hikarakarana sakafo ka miha-vitsy sy miha-lafovidy. Nitaraina ny tompon'andraiki-panjakàna iray, tsy nitonona anarana, raha nitafatafa tamin'ny Global Voices :
Le prix du charbon de bois a triplé. Le coût de la ration journalière varie dans la même proportion mais le salaire reste fixe.
“Nitombo avo telo heny ny saran'ny arina fandrehitra. Miakatra manaraka izay koa anefa ny vidin-tsakafo isan'andro, ny karama anefa tsy mitombo.”
Mitaraina avokoa ireo rehetra manori-trano noho ny fiakaran'ny vidina gorodona manoloana ny fiakaran'ny vidim-piainana hatramin'ny 38,1 isanjato tamin'ny volana Janoary 2025.
Setriny malefaka loatra avy amin'ny manampahefana Borondey?
Manoloana izany toe-java-misy izany, toa tsy dia nandray andraikitra firy ny manam-pefahana Borondey hampitsaharana ny fandripahana ala. Nanamarika i Sylvain (solon'anarana), raha niresaka tamin'ny Global Voices fa :
On cultive, on construit, on trace des routes, bref on détruit, ces habitations de plusieurs espèces d’animaux qui constituent de bonnes sources de revenus sur le plan touristique!
“Mamboly, manangan-trano, manamboatra lalana, izany hoe ravaintsika ny fonena n'ireo karazam-biby maro, nefa fidiram-bola tena tsara amin'ny fizahantany.”
Miaiky ny zava-misy ihany koa ny manam-pahaizana manokana sasantsasany. Nandritra ny fifanakalozan-kevitra an-tsehatra iray tamin'ny 28 Janoary 2025, tao amin'ny Ivotoerana Frantsay ao Bujumbura, renivohitr'i Burundi; Nanazava i Philippe Guizol , mpikarakara ala sady manam-pahaizana ara-tsosialy miasa miaraka amin'ny CIRAD, Foibem-pikarohana Frantsay misahana ny fambolena ho amin'ny fampandrosoana iraisampirenena ao an-toerana hoe :
On observe une inertie des autorités burundaises dans le domaine de la protection des forêts de 2000 à 2025, dans ce pays densément peuplé aux paysages variés agro- sylvo- pastoraux avec une biodiversité unique. Le Burundi doit réfléchir s'il doit refaire des boisements industriels, investir beaucoup plus sur l'agroforesterie et l'agroécologie.
“Tsy nihetsika ny manampahefana borondey teo anelanelan'ny taona 2020 sy 2025 tamin'ny fiarovana ny ala, ao amin'ity firenena be mponina manana karazan-tontolo maro voavolavolan’ ny fambolena, ny ala ary ny fiompiana ity, sy tontolon-javamiaina tsimanampaharoa. Miatrika safidy i Burundi ankehitriny raha hanao fambolen-kazo ilain'ny indostria, sy hampiasa vola bebe kokoa amin'ny fambolenkazo ho ala ary ny fambolena mifanaraka amin'ny tontolo iainana.”
Manoloana izany, efa nanangana tetikasa sasantsasany ihany ny manampahefana. Nandritra ny fanadihadiana nataon'ny Global Voices tamin'i Alphonsine Kanyange, mpikaroka momba ny siansan'ny tontolo iainana sy ny fitantanana ifotony ny tontolo iainana ao amin'ny Oniversiten'i Burundi no nilazany fa :
Le Burundi a mis en place plusieurs initiatives pour protéger et réhabiliter ses forêts. Parmi les initiatives les plus significatives figure le projet national de reforestation lancé en 2018 qui vise à restaurer le couvert forestier du pays.
Nandray fanapahan-kevitra maromaro entina hiarovana sy hanarenana ny ala ao aminy i Burundi. Anisan'ny hetsika goavana indrindra ny tetikasa nasionaly fambolen-kazo natomboka ny taona 2018, entina hamerenana ny firenena ho rakotra ala indray.”
Iray amin'ireo tetikasa nataon'ny governemanta ny “ Ewe Burundi Urambaye “, izay midika ara-bakiteny hoe “Burundi miakanjo tsara”. Tetikasa mikendry ny hanairana ny sain'ny mponina mahakasika ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny ala ; ary tafiditra ao anatin'ny fandaharan'asa ny fanabeazana momba ny tontolo iainana amin'ny alàlan'ny fandraisana anjara eny anivon'ny sekoly sy ny rafi-piaraha-monina samy hafa io tetikasa io.
Mpanakanto no sady mpanao slam i Jeanne IRAKOZE , mpikambana ihany koa izy ao amin'ny Komity mpanoro lalana isam-paritry ny tanora ; nofintininy tamin'ity tononkalo izay nataony ny 28 Janoary 2025 ity izany olana ara-tsosialy sy ara-toekarena izany :
Quand les arbres parlent, Il faut qu'on les écoute, Réhabilitation forestière, c’est l’appel qu’on lance, Un futur vert , pas juste un rêve, mais une chance.
Les forêts, c’est plus que des racines et des branches, C’est l’air qu’on respire, c’est la vie qui s’élance. C’est des rivières qui coulent, des sols qui se renforcent, C’est le climat qu’on protège, et c’est la planète qui force, Et quand on en abuse, on se révolte.
La révolte! La nature nous parle, Mais à peine on l'écoute; Des crises climatiques , À cause de l’homme, on tourne pas la page, Les forêts sont en danger;
La déforestation frappe fort, et ça fait mal, Des conséquences néfastes on en voit une centaine, on souffre fort; Pourtant la réhabilitation reste un chemin idéal, qu'on ignore.
Rehefa miteny ny hazo, dia mila henoina Fanarenana ny ala simba, antsonay Hoavy maitso, tsy ho nofy ihany, ho vintana koa Ny ala, mihoatra noho ny resaka vahatra sy ratsana Fa izy no rivotra iainana, fiainana mandroso Renirano mikoriana, tany mihamafy Izy no toetrandro arovana, ny planeta izay mitaky ny lalany Ary rehefa hitsakitsahina, dia mikomy. Mikomia ! Miantso ny zava-boahary Fa zara raha henointsika, Krizin'ny toetr’andro, Noho ny olombelona, tsy afaka mandalo fotsiny Ala tandindonin-doza;
Mamely mafy ny fandringanana ny ala, ary maharary Efa loza an-jatony hitanay, maharary Ny fambolen-kazo anefa no lalana tena mahomby, saingy variana ankafa isika
Vakio koa : Misy fiantraikany ratsy amin'ny ala sy ny valan-java-boahary any RDC sy Burundi ny tsy fahavokaran'ny tany
Mitaky fampiasam-bola betsaka ny tetikasa fanarenana ny ala, fa indrindra ny fambolen-kazo, ny fitantanana ny harena voajanahary, ary koa ny fanentanana ny vondrom-piaraha-monina ao an-toerana.
Kanefa marefo dia marefo raha ny toe-karena Borondey ary miatrika teti-bola ety dia ety. Mbola sakana lehibe hatrany ny tsi-fisian'ny fampiasam-bolan'ny fanjakana sy ny famatsiam-bola tsy miankina, hanohanana karazana tetikasa mandritra ny fotoana maharitra.
Mametra ny fahafahany hamerina ny ala ihany koa ny mbola fiankinan-dohan'ny firenena amin'ny fanampiana iraisampirenena ; izay sady efa tsy ampy no mbola mitsitaitaika.
Ny finiavana ara-politika matanjaka sy loharanon-karena tena feno ihany no afa-mitondra ny tena fiovàna amin'ny sehatra iray izay mbola tena zava-dehibe ho an'ny fanasovana ny taranaka hoavy.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/05/01/174551/
|
Befelatanana, karazan-javamaniry tandindonim-paharinganana ao Borondi
| 2025-05-01T05:00:35
|
Unknown
|
Sarin'ny hazo befelatanana ao Borondi ; Saripika an'i Ferdinand Mbonihankuye, nahazoana alàlana
Ity lahatsoratra ity dia navoaka ho ampahany amin'ny fanofànana momba ny rariny ara-tontolo iainana ao Afrika . Nosoratan'i Rénovat Ndabashinze, Borondey mpanao gazety.
( Fanamarihan'ny mpandika : ity zavamaniry ity dia fantatry ny Malagasy ihany koa amin'ny anarana hoe badika, befelatanana, dimaka, marandravina, hazo rofia )
Misy fiantraikany maro ny fahapotehan'ny fahamaroam-piainana satria rojo voajanahary iray manontolo no tapaka ao anatin'ny dingana tahàka izany. Araka izany, marobe ireo karazana hazo tena tandindonin-doza be tokoa ary mety hanjavona tsy ho hita eto ambonin'ny tany, anisany ny ao Afrika.
Nandritra ny Fihaonambe Erantany momba ny Fiovàn'ny Toetrandro sy ny Fahamaroam-piainana, COP16 natao tamin'ny faran'ny taona 2024 tao Kôlômbia, nambaran'ny Fikambanana Erantany ho Fikajiana ny Natiora (UICN) fa marobe ireo karazana hazo tandindonim-paharinganana . Ao Borondi, izany no manjo ireo hazo befelatanana izay tapaka rohy iray tena ilainy amin'ny fomba fihitarany.
Rehefa tsy eo ny elefanta, tsy miparitaka ny hazo befelatanana
Ny hazo befelatanana dia hazo iray mamokatra voankazo mamy. Hita ao amin'ny valanjavaboarim-pirenena ao Rusizi any amin'ny faritanin'i Bubanza , 15 km ao avaratr'i Bujumbura , amin'ny sisintany manasaraka an'i Borondi sy Kôngô. Io toerana io koa dia toerana natokana hiarovana ireo elefanta, saingy tany amin'ny taona 90 dia efa tsy hita ireto farany, vokatry ny ady mitam-piadiana izay nanozongozona ny fifandanjàna ara-tontolo iainan'ilay valan-javaboary.
Raha ny marina, tombanan'ireo manampahaizana manokana ho ny fanjavonan'ireo elefanta tao amin'ny valanjavaboarin'i Rusizi no fototry ny faharinganan'ireo hazo befelatanana. Raha nifandraisan'ny Global Voices, Albert Mbonerane , minisitra fahiny nisahana ny tontolo iainana ary ankehitriny mpikatroka ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana, dia milaza fa rehefa mihinana ny voankazon'ireny hazo befelatanana ireny ireo elefanta dia mandray anjara amin'ny fanaparitahana io karazana hazo tsy fahita firy io. Hoy izy manazava:
Misy voa tsy levon-dry zareo amin'ireny voankazo ireny. Araka izany, Mivoaka etsy sy eroa amin'ny tain-dry zareo ireny voa ireny, ary mitsiry ho hazo vaovao. Efa ho roapolo taona mahery izay, nanana elefanta ampolony marobe i Borondi tao amin'ilay valanjavaboarim-pirenena ao Rusizi. Saingy tsy izany intsony izao no zavamisy.
Niharan'ireo ady nitam-piadiana ihany koa ny elefanta
Nitranga taorian'ilay fanonganam-panjakana nahazo an'i Melchior Ndadaye , mpandresy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny Jolay 1993, nipoaka tamin'ny 21 Oktôbra 1993 ilay ady an-trano tao Borondi ary naharitra 12 taona, hatramin'ny May 2005. Nandritra io vanim-potoana io, najedak'ireo mpihaza an-tsokosoko sy ireo mpihoko niery tany anatin'ireo faritra narovana ny elefanta. Araka ny lazain'i Mbonerane:
Matetika nandaroka baomba tany anatin'io faritra arovana nieren'ireo mpihoko io ny fiaramanidin'ny tafi-panjakana. Rehefa nifarana ny fifandonana, marobe ny taolana elefanta hita tao amin'io valanjavaboary io.
Izany koa no lazain'i Léonidas Hatungimana, tale jeneralin'ny Birao Borondey ho Fiarovana ny tontolo Iainana (OBPE) izay manamafy fa:
Tamin'ny taona 2000 no maty ilay elefanta sisampaty taorian'io ady io. Izy ireny dia biby izay, amin'ny ampahany betsaka, fototry ny fiparitahan'ireo hazo befelatanana.
Antony avy amin'ny olombelona
Manana vahoaka mihoatra ny 14 tapitrisa , tamin'ny 2023 dia niaina taha 1,28% amin'ny fitomboan'ny isan'ny mponina i Borondi. Ny 2025, tombanana ho 2,44% io taha io. Efa ho ny 15 %-n'ny vahoaka , izany hoe olona mihoatra ny 2 tapitrisa, no miaina any amin'ny faritry ny tanàndehibe.
Loza mitatao ihany koa ho an'ireo hazo befelatanana io tsindry ateraky ny isan'ny mponina io. Melohin'ny mponina iray ao Buringa, tsy mitonona anarana, ny fanitàrana ny voly hatao sakafo sy ny indostria any amin'ireo faritra natokana ho valanjavaboary: tanin-katsaka, tsaramaso, mangahazo, fa koa ny landihazo sy ny fary. Ankoatra izay, hoy izy, ireo mponina eny akaiky eny dia maka ny voan'ilay hazo befelatanana hototoina:
Ampiasaina ho sakafo na amin'ny fitsaboana ny vovoka azo. Na ireny voa ireny aza izao dia otazana sy hanin'ireo mponina. Izay mampihena ny fiparitahany.
Fanampin'izany, ireo hazo befelatanana dia tena ilaina be amin'ny fomba fiaina nentindrazana, araka ny fanazavan'ilay zokiolona efa valopolo taona, Oscar Kabura, mponina akaikin'i Burunga nitafàn'ny Global Voices :
Ny raviny no anaovanay fefin'ny tranonay. Dia ny raviny no anaovana tsihy, harona, garaba, sns…
Etsy ankilany, i Anastasie, mponina ao an-toerana, efapolo taona any ho any, milaza fa amin'ny fivarotana garaba, harona namboarina avy amin'ireo hazo befelatanana dia afaka mahazo vola mora foana izy mba hamelomany ny ankohonana. Ary raha momba ny fandraisany anjara amin'ny resaka fahamaroam-piainana, miaky i Anastasie fa:
Tamin'izany fotoana izany, karazana biby marobe no nonina teo amin'io toerana io, indrindra fa ny antilôpa, ny bitro, ny tsipoy, ny lalomena izay tonga matetika miraoka ahitra ao, sns… Tao ihany koa no nivelona ireo elefanta. Saingy ankehitriny, tsy ahitàna na elefanta iray monja aza ao.
Mba hamerana ny fanjavonan'ireo hazo befelatanana sy hisarihana ireo mpizahatany hiverina, nampahafantarin'i Léonidas Hatungimana, tale jeneralin'ny OBPE fa efa an-dàlana ny tetikasa iray fampidirana indray ny elefanta any anatin'ireo faritra arovana, isan'izany ny valanjavaboarim-pirenena ao Rusizi. Milaza izy hoe:
Nampanao fanadihadiana izahay mba hijerena ireo fepetra raha toa ka mbola mety ho an'ireny biby vaventy mampinono ireny.
Porofoin'ny anjara toerana lehibe tànan'ireo hazo befelatanana ny maha-maika ny famerenana ny fifandanjan'ny rafi-piainana voajanahary izay ahafahana mampivady ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiarovana ara-toekarena.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/04/26/174466/
|
Tao Maoritania, voaroaka faobe indray ireo mpifindramonina avy any atsimon'i Sahara
| 2025-04-26T07:00:43
|
Unknown
|
Tranoben'ny Ministeran'ny Raharaha Ivelany, ny Fiarahamiasa ary ireo Maoritaniana any am-pielezana ; Saripika an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana.
Iharan'ny fisamborana sy fandroahana avy any Maoritania ireo mpifindramonina avy any atsimon'i Sahara. Araka ny lazain'ireo sasany mpisehatra avy amin'ny fiarahamonina sivily ao Maoritania, io dia vokatr'ilay fifanarahana nifanaovan'i Nouakchott sy ny Vondrona Eorôpeàna.
Tany am-piandohan'ny taona 2017, nasehon'ny Vondrona Eorôpeàna (UE) ny fahavononany hanakana ny làlan ‘ireo mpifindramonina, indrindra fa ireo avy any Afrika atsimon'i Sahara. Tamin'ny 2024, notombanan'ny UE ho 239 000 ireo mpifindramonina tsy ara-dalàna nanandrana nandingana ny sisintanin'ilay faritra, nisy fihenàna 38% raha mitaha amin'ny taona 2023.
Hatreo, nohatsarain'i Bruxelles ny politikany momba ny fifindràmonina, amin'ny alàlan'ny fiarahana miasa amin'ireo firenena fandalovan'ny mpifindramonina, toa an'i Maraoka, Tonizia, Libia, ary vao haingana dia i Maoritania izay ny torapasika ao aminy no ampiasaina ho t eboka fiaingana .
Tamin'ny Febroary 2024, Maoritania dia nanao sonia fifanarahana iray fiarahamiasa amin'ny UE, narahana famatsiambola 210 tapitrisa euros (mihoatra ny 230 tapitrisa dôlara amerikàna) mba hananganana tahirimbola iray atao hiadiana amin'ireo mpampita olona sy ny fitantanana ireo fiindramonina an-tsokosoko miainga avy ao amin'ilay firenena.
Nanefa ny adidiny i Maoritania satria tamin'ny Septambra 2024, marobe ireo mpifindramonina voaroaka niala ny faritry ny taniny. Araka ireo tarehimarika nomen'i Mohamed Ahmed Ould Mohamed Lemine , minisitry ny atitany ao Maoritania, ary notanisain'ny tranonkala Info Migrants , nisy 10 753 ireo mpifindramonina voaroaka, nisy fitomboana 14 % raha mitaha amin'ny taona 2023.
Hatramin'ny faran'ny Febroary 2025, miatrika andiana fandroahana vaovao faobe ireo mpifindramonina avy any atsimon'i Sahara tonga tao Maoritania. Heverin'ireo manampahefana ao amin'ilay firenena fa anaty toejavatra tsy ara-dalàna ireto farany. Ka tsy lasa zandarin'i Eorôpa ve izany i Maoritania? Mba hamaliana io fanontaniana io, tamin'ny alàlan'ny Whatsapp no nitafan'ny Global Voices tamin'i Khally Diallo, solombavambahoaka ao amin'ny antenimieram-pirenena maoritaniana.
Jean Sovon (JS) : Inona avy ireo antony manosika ny fandroahana ireo mpifindramonina avy any atsimon'i Sahara hiala ny firenenareo?
Khally Diallo (KD) : Nahazo tohana ara-bola misimisy ihany i Maoritania, 210 tapitrisa euros (mihoatra ny 230 tapitrisa dôlara amerikana), avy amin'ny Vondrona Eorôpeana sy i Espaina, ao anatin'ny ady hanoherana ny fifindramonina tsy ara-dalàna. Io fiarahamiasa io dia tafiditra ao anatin'ny paikady iray midadasika kokoa ikendrena ny fanafoanana ny tosaky ny fifindramonina avy any Afrika Andrefana, tato anatin'ny taona vitsivitsy, lasa toerana fiampitàna tian'ireo mpifindramonina marobe ho any Eorôpa i Maoritania.
Amin'ny firotsahany ho anatin'io fifanarahana io, eken'i Maoritania ny hanamafy ny ezaka ataony amin'ny fanarahamaso ny fifindramonina. Na izany aza, azo marihana ihany anefa ny fisian'ny fetra amin'ny fampiharana io pôlitika io. Eny tokoa, matetika ireo hetsika atao eny an-kianja no mivadika ho andiana fisamborana sy fandroahana, indraindray efa misy kendrena mialoha, izay miteraka fanontaniana momba ny fanajàna ny zo maha-olona sy ny ho fahombiazana maharitr'ilay fomba fiasa noraisina.
JS : Mizaka zompirenena inona avy ireo lasibatr'io hetsika io? Tsy atahorana hiteraka fifanenjanana amin'i Maoritania sy ireo mpifanolobodirindrina aminy ve ny pôlitika tahàka izany?
KD : Tsy misy zompirenena kendrena mazava amin'ireo hetsika atao, saingy ny fomba fanao tsikaritra ho feno famoretana, na atao aza hoe mamaly ny baiko momba ny fiarovam-pirenena izy ireny (araka ny ambaran'ny governemanta), dia indraindray maneho fomba fiasa tsy voalanjalanja momba ny fitantànana ny trangan'ny fifindramonina. Hita ho tsy mifanaraka amin'ireo zavatra takian'ny pôlitika iray mitodika kokoa amin'izao tontolo izao, mijery ny maha-olona ary maharitra, izay tokony hifototra amin'ny fahatakarana ny antony lalina mahatonga ny fifindramonina sy ny fanajàna tsy misy fepetra ny hasin'ireo olona voakasik'izany.
Tsy maintsy am-pahamalinana sy anaty fanajàna tanteraka ny zon'olombelona no anaovana ireny hetsika ireny, mba hisorohana ny safotofoto na fomba fitondra tafahoatra mety hanohintohina ny fahitàna an'i Maoritania eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra fa amin'ireo firenena niavian'ireo mpifindramonina. Ny fomba fijery tahàka izany dia mety hanaratsy ireo ezaka natao sy hiteraka fifanenjanana ara-diplaomatika tsy misy dikany.
Any amin'ireo firenena niavin'ireny mpifindramonina ireny, sarotra levonina ireny fandroahana ireny . Ao Mali, niteraka fiakaran'ny maripàna teny anivon'ireo manampahefana ireny fepetra fandroahana ireny. Tao Sénégal, nandray an-tànana ny raharaha ilay solombavambahoaka Guy Marius Sagna tamin'ny fitakiana hanaovana iraka parlemantera. Tao amin'ny pejiny Facebook , hoy izy:
Pikantsary avy amin'ny ranty nataon'ny solombavambahoaka senegaly Guy Marius Sagna tao amin'ny Facebook nadika eto ambany
Betsaka ny vaovao azoko avy any amin'ny Repoblika Islamikan'i Maoritania. Henoko ny momba ny fanitsakitsahana zon'olombelona sy ny fanentanana fankahalàna vahiny atao an'ireo teratany Senegaly, Maliàna, Ivoariàna ary ireo avy amin'ny firenena afrikana hafa. Tato anatin'ny fotoana vitsivitsy, isanandro no voaraiko ny vaovao momba ny fitànana am-ponja sy fandroahana tsy manaja ny maha-olona.
Firenena manana ny fiandrianany i Maoritania, manana zo hametraka ny fitsipiny ary ireo teratany Senegaly izay manapaka hevitra ny ho any Maoritania dia tsy maintsy manaja azy ireny.
Tolokevitra ho arosoko ny hananganana ao amin'ny Antenimieram-Pirenena ao Sénégal iraka iray hanangom-baovao any Maoritania mba hahatakarana ny toedraharaha momba ireo Senegaly mpiray tanindrazana amintsika, ireo teratany anatin'ny vondrona CEDEAO, sy ireo avy amin'ny firenena afrikàna ary ireo mpifindramonina.
Hiantso ny governemanta ihany koa aho momba ny toedraharaha manjo ireo Senegaly mpiray tanindrazana amintsika ao Maoritania.
JS : Inona no lazain'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona momba io toedraharaha io?
KD : Ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, mpisehatra marobe avy amin'ny fiarahamonina sivily, ary na ny tenako koa aza amin'ny maha-solombavambahoaka ahy, dia naneho hevitra mafy momba io toejavatra io. Melohinay fatratra ireo fihoaram-pefy tsikaritra mandritra ireo hetsika fanarahamaso, indrindra fa ireo fisamborana fahatany, ireo fepetram-pitazonana, ary hatramin'ireo fandroahana atao tsy misy fanajàna ny dingana voasoritry ny lalàna.
Angatahanay mba haneho fahaizana manavaka sy fifehezantena misimisy kokoa ireo manampahefana, satria ny ady atao amin'ny fifindramonina tsy ara-dalàna dia tsy afaka hamarinina amin'ireo fanohintohinana ny zo fototra . Nihamafy io hetsika io taorian'ireo onjam-pahasorenana teny anaty tambajotra sôsialy, izay nahitàna fijoroana vavolombelona marobe nanasongadina hadisoana nataon'ny pôlisy, ary ireo tranganà fanararaotana nibaribary.
Misy fiampangàna mampiahiahy ihany koa milaza fisiana fomba fanao tsy araka ny lalàna, nahitàna ny mpifindramonina sasany terena handoa vola mba tsy horoahana na mba hahazoana sata fonenana tsy azo antoka. Raha voaporofo, fitrandrahana tsy azo ekena atao manoloana ny faharefoan'ireo mpifindramonina ary manimba ireo ezaka hisian'ny mangarahara sy ny fahaiza-mitantana.
JS : Misy ve vahaolana hamahàna io toejavatra io?
KD : Ao anatin'ny fiheverana hoe ifampizaràna ny andraikitra, asaiko ireo teratany tsy Maoritaniàna mipetraka ato anatin'ny faritry ny taninay mba hanaraka ireo fepetra takian'ny lalàna momba ny resaka fonenana. Tena ilaina ny hanamboaran-dry zareo ny momba azy hifanaraka amin'ny lalàna, tsy hoe fotsiny ho an'ny fiarovana ny tenan-dry zareo, fa koa mba hahafahan-dry zareo miaina am-pahamendrehana sy anaty fiadanan-tsaina eto Maoritania. Na izany aza, ity antso ho fampanarahana ny lalàna ity dia tsy maintsy arahana firotsahana an-tsehatra mahery vaika avy amin'ireo manampahefana maoritaniàna.
Izaho mahita hoe tsy maintsy hamoraina ny fahafahana mahazo ny taratasy ahafahana mitoetra, amin'ny fametrahana dingana mazava, azon'ny rehetra idirana, mangarahara ary tsy mitanila. Amin'izao fotoana izao, iaraha-mahita fa marobe ireo vahiny misedra olana mafy tokoa mba hahazoana ireny antontan-taratasy ireny. Io fahasarotana io dia indrisy fa manokatra varavarana mankany amina endrika samihafan'ny fisolokiana, ny fanararaotana ara-pitantànana sy ny kolikoly, manimba ireo tena marefo. Ilaina araka izany ny fanavaozana hatrany ifotony ny rafitra fanomezana ireo taratasy ahafahana mitoetra. Tokony ho hita ao anatiny ny fanamoràna ireo dingana, ny fampihenàna ny faharetan'ny fikarakaràna, ny ady amin'ireo fomba fanao tsy araka ny lalàna, ary hatramin'ny fananganana birao fandraisana sy fanohanana mba hitarihan-dàlana ireo mpifindramonina amin'ireo dingana ataony.
Mbola mijanona ho toeram-pitodiana tian'ireo mpifindramonina avy ao atsimon'i Sahara i Maoritania, tsy ho an'ny fiaingàn-dry zareo ho any Eorôpa ihany, fa koa toy ny ivo ara-toekarena ho an'ireo karazana asa sasantsasany. Araka ny tatitry ny fanadihadiana iray nataon'ny Organisation internationale de la Migration (OIM) – fikambanana erantany misahana ny fifandràmonina- mahakasika ny mombamomba ireo mpifindramonina tao Chami , tanàna iray any avaratra-andrefan'i Maoritania, ny fitadiavana fepetram-piainana tsaratsara kokoa no antony fototra manamarina ny fisian'ireo mpifindramonina an'aliny maro avy any atsimon'i Sahara. Lazain'io tatitra io:
Avoakan'ny fandalinana ireo sehatr'asa ataon'ireo mpifindramonina ao an-tanànan'i Chami fa ny fitrandrahana volamena no mibahana toerana, manetsika ampahany be amin'ireo mpifindramonina (52%), indrindra fa ny lehilahy, izay manome ny 97%-n'ireo mpiasa amin'io sehatra io.
Ao anatin'ity toejavatra ity, afaka ny tsy hila an'ireo hery mpamokatra avy any atsimon'i Sahara ve i Nouakchott?
|
https://mg.globalvoices.org/2025/04/28/174393/
|
Manangana môdely mateza ho an'ny rafi-pampianarana ao Ogandà
| 2025-04-28T11:10:52
|
Unknown
|
Ankizy mpianatra any Ogandà miomana hilahatra. Sary avy amin'i NSAMBA HERMAN ao amin'ny Wikimedia Commons ( CC BY-SA 4.0 Deed )
Latsa-paka ao amin'ny tontolom-pampianarana ao Ogandà ireo fanamby mbola manakana ny firenena tsy hihazo ny fampandrosoana. Manjaka ny olana toy ny fanabeazana tsy manara-penitra, ny trano malemy, ny tsy fahampian'ny mpampianatra ary ny olana ara-bola . Fa na eo aza ireo fanamby ireo, dia misy ireo môdely hita fa nahomby tao amin'ny firenena ahitana mponina efa ho 48 tapitrisa , ary nahavita dingana goavana tamin'ny fampidirana olona maro hahazo fanabeazana.
Ato amin'ity lahatsoratra ity isika mandinika ny tokotanin-tsehatra manavaka ny rafi-panabeazana ao Ogandà sy mihevitra ny fomba ataon'ireo môdely sy toeram-pampianarana vaovao handrosoana, manangana faharetana sy mandrisika fampivelarana.
Ireo fanamby manjaka
Iray amin'ireo sakana ara-panabeazana ao Ogandà ny hantsana fahazoana fampianarana manerana ny fiarahamonina. Manana taha ambony indrindra manerantany amin'ny fanilihana an-tsekoly i Ogandà. Manodidina ny 20 isanjaton'ny ankizy tokony hianatra fanabeazana fototra no tsy tafiditra an-tsekoly, ary tsy mianatra ny 12,5 isan-jaton'ireo izay nisoratra anarana. Anisan'ny mahatonga ireo sakana ireo ny saram-pianarana, ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa ary ny elanelan-tsaranga ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Olana iray hafa ny an'ireo mianatra any an-tsekoly, ratsy ny kalitaon'ny fampianarana amin'ny ankapobeny. Tompon'andraikitra amin'ny vokatra ratsy amin'ny fianarana ny fandaharam-pianarana efa lany andro, ny tsy fisian'ny fitaovana enti-mampianatra, ary ny mpampianatra tsy voaofana. Miharihary kokoa izany any ambanivohitra, vao mainka mampitombo ny hantsana eo amin'ny tanàndehibe sy ny ambanivohitra izany.
Farany, sakana lehibe ny famerana ara-bola sy ny saram-pianarana ka manakana ny ankizy tsy hahazo fanabeazana. Miatrika ny fiakaran'ny saram-pianarana tsy ampoizina ny ankamaroan'ny tokantrano, izay mahatonga ny mpianatra hiala an-daharana an-tsekoly.
Môdelin'ny faharetana sy fitomboana
Na dia eo aza ireo olana rehetra ireo, môdely maromaro no napetraka hampiroboroboana ny faharetana sy ny fitombona izay hita fa nahomby teo amin'ny tontolon'ny fanabeazana ao Ogandà:
Fomba fiasa UniHouse feno: orinasa iraisampirenena naorina tamin'ny taona 1999 momba ny fanabeazana, ny fanofanana, ary ny tolotra fampandrosoana arakasa ny UniHouse. Miara-miasa amin'ny governemanta sy fikambanana izy hanolorana karazam-pandaharana eo amin'ny sehatra ara-toekarena sy ara-kolontsaina isankarazany, manome hery ny tsirairay sy ireo orinasa.
BRAC Uganda: Niditra an-tsehatra ara-panabeazana eo amin'ireo ankizy voahilikilika, indrindra fa ny zazavavy ny BRAC , avy amin'ireo sekolim-piarahamonina sy ny fitarihan-dalana. Azo refesina amin'ny (taham-pahafahana) ireo Foibem-Pampivelarana Kilonga ( Early Childhood Development ) sy foibem-panohanana ireo tanora zazavavy.
Educate! : Manome hery ireo mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa ao Ogandà hanana hakingana ara-pandraharahana sy fitarihana amin'ny alàlan'ny fanabeazana ara-panandramana ity orinasa sosialy ity. Mampiditra fahaizana ara-pihariana azo ampiharina ao amin'ny fandaharam-pianarana, mandravona ny elanelana misy eo amin’ny fanabeazana sy ny asa ny Educate!
School for Life Foundation : Manasongadina ny vondrom-piarahamonina tantsaha sy mahantra, tsara ny kalitaon'ny fanabeazana fototra ao amin'ny School for Life manasongadina tsikelikely ny fandraisan'ny vondrom-piarahamonina anjara, ny fanofanana mpampianatra ary ny fanatsarana ny fotodrafitrasa.
War Child Holland : Miorina anaty faritra miady ao Ogandà ny War Child , mitantana fandaharam-pianarana tselatra sy fanohanana ara-tsaina ho an'ny ankizy any ivelan'ny sekoly na tsy nianatra nandritra ny herintaona noho ny ratra ara-tsaina na ny fifindra-monina.
STiR Education : Miara-miasa amin'ny ministeran'ny fampianarana, manohana ny fahazotoana sy ny fanaovana zava-baovao avy amin'ny mpampianatra ny STiR . Mitantana tambajotra fampandrosoana arak'asa ifampitarihin'ireo mitovy karazan'asa izay mandrisika ny fomba fanao mampisaintsainana sy ny fanatsarana tsy tapaka eo amin'ny mpanabe any Ogandà izy.
Servisy tolo-kevitra stratejika
Zava-dehibe ny tolotra ara-kevitra stratejika amin'ny famahana ny olan'ny fanabeazana ao Ogandà sy hanamoràna ny fampandrosoana lovainjafy.
Tsy maintsy manana paikady amin'ny famolavolana sy ny fampiharana ny politika ireo manam-pahefana, satria ny politika mahomby no andry hanatsarana ny rafi-panabeazana ao Ogandà. Tafiditra ao anatin'izany ny fanavaozana ny politika fanofanana sy fandraisana mpampianatra, ny fandaharam-pianarana iombonana izay saro-pady amin'ny toe-javatra sy fiteny eo an-toerana, ary ny fanafoanana ireo saram-pianarana nafenina izay manakivy fahazotoa-mianatra.
Fomba iray hafa mety hanatsarana ny sehatry ny fampianarana ao Ogandà ny fiaraha-miasan'ny fanjakana sy ny tsy miankina. Afaka miara-miasa amin'ny fampihenana ny tsy fitoviana eo amin'ny fitaovana, indrindra amin'ny trano fianarana, ny fianarana an-tserasera ary ny fiofanana arak'asa ny governemanta sy ny sehatra tsy miankina. Afaka manamora ny fananganana fandaharam-pianarana mifanaraka amin'ny filàn'ny tsenan'asa ihany koa ny fiaraha-miasa, ary manatsara ny fahafahan'ny tanora miasa sy manome azy ireo ny fahaiza-manao mifanaraka amin'ny filan'ny tsena.
Farany, tokony hampiasa vola amin'ny hetsika fanamafisana ny fahaiza-manao i Ogandà. Ilaina ny fivelaran-tolo-panofanana matihanina ho an'ny mpampianatra sy ny mpitantana ny sekoly. Mety hanatsara ny fitarihana ara-pampianarana ny fitantanan-tsekoly sy ny tontolon'ny fianarana.
Goavana ireo fanambin'ny rafi-panabeazana ao Ogandà, fa maro ihany koa ny lalana irosoana. Manome môdely azo ivoarana amin'ny fanamafisana ny rafi-pampianarana ny orinasa sy fikambanana toy ny UniHouse sy Shimizu Corporation ary ireo programa eny ifotony toy ny BRAC Uganda, Educate!, ary ny STiR Education. Amin'ny fananana politikam-panavaozana stratejika, fandrindrana sehatra vitsivitsy miaraka, ary ny fampiasam-bola amin'ny fampivelarana fahaiza-manao i Ogandà no afa-manangana rafi-panabeazana mateza sy ara-drariny kokoa. Io indray avy eo no mametraka fototra mafy orina amin'ny fitomboana ara-tsosialy sy ara-toekarena mivelatra kokoa sy ny fampandrosoana maharitra ny firenena.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/04/25/173198/
|
Ny fitantaran'angon-drakitra Civic Media Observatory: Tatitra Isam-pirenena
| 2025-04-25T08:20:56
|
Unknown
|
Sary nomen'i Giovana Fleck, nahazoana alalana.
Tamin'ny herintaona ny Civic Media Observatory — tamin'ny alàlan'ny tetikasany Data Narratives — nanao fikarohana tany Brezila, El Salvador, India, Torkia, ary Sodàna momba ny lahateny ahatafidirana fitantanana angondrakitra any amin'ireo firenena ireo.
For the purpose of this research project, we employed a definition of data governance from Tim Davies’ literature review on the topic :
Ho tanjon'ity tetikasa fikarohana ity, nampiasanay ny famaritana ny fitantanana angondrakitra avy amin'i Tim Davies momba ilay lohahevitra :
Data governance concerns the rules, processes and behaviours related to the collection, management, analysis, use, sharing and disposal of data – personal and/or non-personal. Good data governance should both promote benefits and minimise harms at each stage of relevant data cycles.
Ny fitantanana angon-drakitra dia mikasika ny fitsipika, ny dingana ary ny fihetsika mifandraika amin'ny fanangonana, fitantanana, famakafakana, fampiasana, fizarana ary ny fihazonana angona – an'olona iray na tsia. Sady tokony hampiroborobo ny tombotsoa no mampihena ny fanimbàna isaky ny ambaratonga tsirairay amin'ny tsingerin'angona manan-danja ny fahaizana mitantana angon-drakitra.
Nodinihan'ny tatitra ny fahasarotan'ny tontolom-pitantanana angon-drakitra manerana ireo firenena dimy ireo avy amin'ny fijery fitantarana sy tohitra-fitantarana izay mamolavola resaka isaky ny firenena. Nifantohan'ny famotorana ireo tranga fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny angon-drakitra, ny fanodinkodinam-baovao, ary ny antony ara-politika isan-karazany ao ambadiky ny fanangonana sy fizarana angon-drakitra. Navoakan'ny famakafakana ireo lohahevitra fitantarana iraisan'ny firenena amin'ny fitantanana angon-drakitra, ahitana ireto manaraka ireto:
Ny tsy fisian'ny mangaraharan'ny governemanta momba ny angondraki-panjakana
Ny tsi-fiatrehana sy ny tsi-filazana ireo olana ara-piarovana
Ny fikirakirana ireo politikam-panjanahantany vaovao hanararaotana ny harem-pirenena
Ny fanehoana diso momba ny fiaraha-miasa amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina ho mahasoa ny firenena ho amin'ny tombontsoan'ny vondron'orinasa.
Ny fampiasana ny tsirefesimandidy nomerika hifehezana ny fitantarana manodidina ny politika sy ireo tetika ara-politika hafa
Fehin'ny tsikaritray fa mametraka olana tsimanampaharoa ho an'ireo firenena narahi-maso ny lalàna sy ny teknolojia vao misandratra toy ny Ilontsaina Arafitrolombelona (IA) sy ny cryptomonnaies. Samy namaha ireo olana ireo tamin'ny fomba samihafa ny firenena tsirairay nodinihina. Saingy nanimba kokoa ireo resaka momba ny fitantanana ny angon-drakitra sy ny lalàna avy amin'izany fa tsy manohana ny tombontsoan'ny olom-pirenena. Nanjary lohahevitra hita hatrany amin'ireo tatitra ny fampiasana ny fahefana nomerika tsirefesimandidy mba hifehezana ny fitantarana fitantanana angondrakitra, izay nanasongadina ihany koa ny filana mangarahara kokoa, ny fanatsarana ny fiarovana angondrakitra, ary ny fiheverana bebe kokoa ny fiantraikan'ny teknolojia vaovao sy vao misondrotra eo amin'ny fiarahamonim-pirenena.
Jereo ny tatitra momba ireo firenena:
Namoahanay famintinana ny tatitray ho rakitra iray pejy ihany koa izahay. Azonao atao ny mamantatra bebe kokoa momba ny Data Narratives Civic Media Observatory eto . Raha liana amin'ny fomba nanaovanay ity fikarohana ity ianao sy te-hamantatra bebe kokoa momba ny nangoninay dia midira amin'ny angona ho an'ny daholobe .
Vakio araka ny fikarohana nataonay ny tantara navoakanay :
Lira tiorka zato ho an'ny angondrakitrao: ny nahavery fanantenana tanteraka ireo olompirenena tiorka manoloana ny fiarovana ny angondrakitra sy fiainana manokan'ny tena [mg]
Starlink in Sudan: A lifeline or war facilitator?
Website blocking in India: One arrow for all
The two deaths of the ‘Brazilian DSA’
Internet shutdowns in Sudan allow the bypass of regulations
Controversial hacktivists may have prompted El Salvador’s censorship of Telegram
Bitcoin mining's toll on El Salvador leaves communities without water
The Brazilian and Indian dilemma: How to regulate AI and Big Tech?
Liona sa moka: Ny toetran'ny adihevitra momba ny IA ao Torkia [mg]
|
https://mg.globalvoices.org/2025/04/18/172922/
|
Olona an'aliny mpitsoa-ponenana noho ny toetrandro teren'ny haintany ao Sômalia hialokaloka any amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Dadaab, Kenya
| 2025-04-18T15:24:06
|
Unknown
|
“Pikantsary” vehivavy antitra iray tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Dadaab, avy ao amin'ny fanadihadiana an'ny Radio Dadaab nataon'ny Fitsarana ny tontolo iainana (EJF), fampiasàna nahazoana alalana.
Ao amin'ilay fanadihadiana an'ny Radio Dadaab , novokarin'ny Fitsarana ny Tontolo Iainana (EJF), nanamarika i FardowSa Sirat Gele hoe: “Tamin'ny taona 1991, ireo olona ireo dia nandositra nandritra ny ady an-trano tao Sômalia. Fa tamin'ity in-dray mandeha ity, olona maro kokoa no hitantsika mandositra an'i Somalia noho ny haintany. “
Sirat, 25 taona, mpanao gazety mpitsoa-ponenana avy any amin'ny tobin'i Dadaab , ilay toby any Kenya lehibe indrindra manerantany ho an'ny mpitsoa-ponenana any akaikin'ny sisintanin'i Sômalia, no manome fahatakarana ny fanamby atrehan'ireo mpitsoa-ponenana ao amin'ny toby. Ilay horonantsary fanadihadiana, izay novokarina nandritra ny fitsidihan'ny EJF tany amin'ilay toby, dia nitantara zavatra maromaro niainan'ireo mpitsoa-ponenana ary mampiseho ny fomba nahatonga ireo trangana toetrandro mahery vaika, vao mainka nohamafisin'ny fiovan'ny toetrandro, nitarika ny fitomboana niezinezina tamin'ny fifindramonina sy ny fifindràna toerana. Ambaran'ilay fanadihadiana ihany koa ireo rohy misy amin'ny fihafanan'ny tany manerantany sy ireo andian-taranaka maro nifindra monina.
Tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Dadaab
Ankizy ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Dadaab. Saripika an'ny EJF, fampiasàna nahazoana alàlana.
Ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Dadaab any Kenya dia fonenan'ny mpitsoa-ponenana maherin'ny 300.000, indrindra fa avy any Somalia, ary koa avy any amin'ny faritra hafa any Afrika. Na afaka mahazo ireo filàna fototra toy ny sakafo, ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny varotra ary ny fialamboly aza ireo olona mipetraka ao amin'ilay toby, ny fivezivezen-dry zareo kosa dia voafetra ho ao anatin'ny 50 kilometatra (tokony ho 31 kilaometatra) ao amin'ny toby. Tsy avela hanorina toeram-ponenana maharitra ireo mpitsoa-ponenana, ary ny olona toa an'i Serat, izay teraka sy nobeazina tao an-toby, dia miatrika fanamby lalina momba ny maha-izy azy. Tsy mamoaka taratasy fanamarinam-pahaterahana ho an'ireny olona ireny ny governemanta keniàna, ary noho ny ady maharitra sy ny fifandirana tao Somalia, izay nirehitra am-polony taona maro, dia tsy safidy ny fiverenana any amin'ny firenena niaviany mba hahazoana antontan-taratasy.
Nandritra izany fotoana izany, tamin'ny 2022 ; nandàny ny Lalàna 2021 momba ireo mpitsoa-ponenana ny governemanta keniàna, izay milaza fa ilay tobin'ny mpitsoa-ponenana dia havadika ho toeram-ponenana tsy misaraka, ka araka izany dia miteraka hirika hampidirana ireo mpitsoa-ponenana ho ao anatin'ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano azy. Ilay Lalàna dia manome ho an'ireo mpitsoa-ponenana ny fahalalahana mivezivezy, ny zo hiasa ary ny fahafahana mahazo ireo tolotra ara-bola, ankoatra ireo zo hafa.
Fomba fijery an'habakabaka ny tobin'ireo mpitsoa-ponenana Dadaab. Saripikan'ny EJF, fampiasàna nahazoana alalana.
Fiantraikan'ny krizy ara-toetrandro
Mitombo ny isan'ny olona nafindra monina tao anatin'ny fireneny . Teo anelanelan'ny 2013 sy 2023, ny toetrandro nahery vaika dia nahatonga famindràna toerana isan-taona olona 23.6 tapitrisa eo ho eo eran'izao tontolo izao ao anatin'ny firenen'izy ireo ihany; nahatratra 32.6 tapitrisa tamin'ny 2022 ny famindràna anatiny fotsiny. Asehon'ilay tatitra ny fiantraikan'ireo trangan-javatra mahatsiravina ireo, ary koa ny tantaram-piainan'ireo andian-taranaka mpitsoa-ponenana noho ny toetrandro, ary amin'ny teniny manokana, matetika no vao sambany ny maro amin'ireny.
Tena tsapa mafy tao amin'ny faritry ny tandrok'i Afrika ny vokatry ny fiakaran'ny hafanana maneran-tany, izay ireo Sômaliàna mpitsoa-ponenana no lohalaharana miatrika ny krizin'ny toetrandro, na tsy dia mandray anjara amin'ny famoahana entona karbônina manakorontana ny toetrandro aza ry zareo. Tamin'ny taona 2019, zara raha iray ampahadimin'ny an'ny Vondrona Eorôpeana ny taha karbônina isam-batan'olona nananan'i Somalia ary ny kaontinanta afrikàna manontolo dia tsy mamokatra afa-tsy manodidina ny 3.8% ny famoahana entona miteraka hafanàna manerantany. Mandritra izany fotoana izany, navoitran'ny lasitra momba ny toetrandro fa araka ny tombana antonontonony kokoa, noho ny fiovan'ny toetrandro ateraky ny ataon'ny olombelona, ireo tranga toy ny haintany izay namely ny tandrok'i Afrika dia in-100 mahery ny vintana mety hisiany.
Ny vokadratsy mandravarava naterak'ity toe-javatra ity teo amin'ny fiainan'ny olona dia porofoin'ireo mponina ao amin'ny tobin'ireo mpitsoa-ponenana ao Dadaab, izay nohosorana ho “fonja mitafo lanitra”, hoy ny tati-baovaon'ny EJF. Tany am-boalohany dia natao mba handraisana olona 90.000 ilay toby, indrindra fa ireo Sômaliàna mpitsoa-ponenana nandositra ny ady an-trano tao Sômalia tamin'ny taona 1991 .
Na izany aza, araka ny tatitr'ilay ONG, dia nitombo avo telo heny sy sasany ny isan'ny mponina hatramin'izay. Teo anelanelan'ny 2022 sy 2023, i Dadaab dia niaina fitomboan'ny isan'ireo mpitsoa-ponenana noho ny tondradrano sy ny fifandirana, izay nahatonga ny isan'ny mponina tao amin'ny toby nisy 234.000 tamin'ny Jolay 2022 ho tafakatra 320000 ny Martsa 2023.
Tamin'ny 2024, ny tondradrano nahery vaika tao Afrika Atsinanana dia namindra Sômaliàna marobe mpitsoa-ponenana, nanery azy ireo hiaritra zava-tsarotra mitovy amin'izany tao amin'ilay toby keniàna ho an'ny mpitsoa-ponenana. Araka ny tatitra farany indrindra avy amin'ny EJF, mety hampitombo ny hamafin'ny krizy ireny raha tsy misy ny firotsahana an-tsehatra haingana sy fanohanana maharitra avy amin'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena.
Tamin'ny Septambra 2022 , nitsidika ny toby Dadaab ny ekipa EJF, taorian'ny fahatongavan'ireo mpitsoa-ponenana noho ny toetrandro, ny betsaka indrindra tao anatin'ny am-polon-taona. Araka ny voaporofo ao anatin'ilay fanadihadiana, nandritra ity dia ity, nambaran'ireo mponina tao Dadaab tamin'ny EJF ny fomba namonoan'ny haintany ny biby fiompiny sy nanimbàny ny voly, ary nanereny azy ireo handao ny tranony sy hitady fialofana.
Halima Hassan Ibrahim, renim-pianakaviana iray mananontena, izay manana kilema, manana zanaka fito, sy mipetraka ao Dadaab, no nilaza tamin'ilay ONG hoe : “Nanana ombivavy folo sy osy dimampolo izahay. Maty daholo ireo ombivavy sy ireo osy ary rava avokoa ny zavatra rehetra. H o an'ireo zanako, s ady ray aho no reny, ary tsy manana na inona na inona ho azy ireo aho.”
Araka ny filazan'ny EJF, niharatsy ny toe-javatra nanomboka teo, izay ahitana olona maherin'ny 23,5 tapitrisa mijaly noho ny tsy fanjarian-tsakafo ao amin'ilay faritra nandritra ny naha-henjana ny haintany tamin'ny May 2023. Olona 8,25 tapitrisa tao Sômalia – saika ny antsasaky ny mponina ao amin'ny firenena – no mila fanampiana ho tafavoaka velona, ary olona 43.000 no maty, ka ankizy latsaky ny 5 taona ny antsasak'ireo maty.
Iarahana miatrika ity krizy ity
Mba hamahàna ny haintany, ny governemanta federaly ao Sômalia dia nanangana andiana hetsika ara-bola hatramin'ny 420 tapitrisa dôlara amerikàna, famatsiambola omen'ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin'izany ny tetikasa Fiatrehana an-tanàndehibe ao Sômalia (Nagaad), izay nanomezana fanampiana vonjimaika sy fanampiana vola ho an'ny olona 40.000 mahery izay nafindra toerana anatiny ka tonga tany amin'ireo toby an-tanàn-dehibe izay efa tototra tafahoatra toa an'i Mogadishu , Baidasa ary Garowe .
Steve Trent, filoha tale jeneraly sady mpanorina ny Orina Rariny Ara-Tontolo Iainana, no namarika tamin'ny imailaka ho an'i Global Voices fa :
Ireo famoizana aina marobe, ireo famindràna an-tery sy ireo fijaliana midadasika vokatry ny olan'ny toetrandro, navoitran'ny tatitra nataonay, dia safidy. Mavitrika misafidy io làlana io ireo Filoha Tale Jeneralin'ireo orinasa mamokatra solika fôsily , izay manome lanja kokoa ny tombony raha miohatra amin'ny olona, sy ireo mpitarika eran'izao tontolo izao izay tsy nahavita nanatanteraka ny fanovàna maika ilaintsika. Fotoana izao mba hanoritana iray hafa, ary hanaovan'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena hetsika haingana sy hentitra. Angatahanay ny fenitra iraisam-pirenena ho an'ny fiarovana ireo mpitsoa-ponenana mba hampiditra sy hiaro ireo mpitsoa-ponenana vokatry ny toetrandro. Tsy manam-potoana ho ariana isika rehefa mikasika ny fanenàna ny entona karbônina maneran-tany, sy ny fanalefahana ny fiakaran'ny hafanana ary ny fanajàna ireo zo fototr'ireo olona tena voakasiky ny olan'ny toetrandro.
Fardowsa Sirat Gele, mpanao gazety ho an'ny Radio Gourgaar, no namarana hoe:
Manaitra mafy ny tsy rariny: ireo izay namokatra ny kely indrindra amin'ny famoahana entona eran-tany no voalohany mizaka ny tsy eran'ny aina. Tsy manao afa-tsy ny vao mainka mampitombo ny hantsana eo amin'ny firenena manankerena sy ny mahantra ny tsy firaharahana io antso maika io, nefa koa vao mainka hampitombo ny fifandirana, ny fahantrana ary ny tsy fandriampahalemana maneran-tany. Trosantsika amin'ireo tena marefo indrindra – ary amin'ny taranaka ho avy – ny hiatrehantsika ity krizy ity amim-pahasahiana sy ny fangorahana. Tena ilaina ny valinteny iraisan'ny manerantany – tsy ho fanalefahana ny fahavoazana amin'ny ho avy ihany fa hiarovana ihany koa ny rariny sy ny fangorahana manoloana ity fanamby maika ity. Andao hiaro ireo tena marefo sy hiantoka tontolo iray ahafahan'ny rehetra miroborobo.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/04/17/173663/
|
Lakana very roa hita tany Karaiba mamoaka ny lafiny mampalahelo amin'ny fifindra-monina afrikana
| 2025-04-17T08:24:28
|
Unknown
|
Sary asongadina nandalo Canva Pro .
Andro vitsy taorian'ny nampandrenesana ny mpiambina ny morontsirak'i Trinidad sy Tobago (TTCG) amin'ny fisian'ny lakana [mg] ahitana vatana efa lò mitsingevana eo akaikin'ny sehatra fitrohana etona voajanahary any amin'ny morontsiraka atsinanan'i Trinidad, dia nisy sambokely nahitana faty 13 indray hita tao St Kitts sy Nevis.
Hita tamin'ny 25 Janoary tany Trinidad ny sambo ; tsikaritra tao amin'ny ranon'i St. Kitts ny sambo iray hafa tamin'ny 30 Janoary. Hatreto, tsy nanambara na inona na inona ny tompon'andraikitra raha mety misy ifandraisany ireo tranga roa ireo na tsia, na dia nilaza aza ny lefitry ny kaomisarian'ny polisy ao St. Kitts, Cromwell Henry, fa noho ny halalin'ny fahasimban'ny razana, dia sarotra ny manombana ny taona na ny mahalahy/vavy azy ireo tsirairay avy.
Nanomboka namoaka vaovao vitsivitsy ihany anefa ny fanadihadiana taoriana :
A boat with decomposing bodies was discovered off Trinidad’s southeast coast. Local police concluded the vessel to be from Mauritania , a tragedy consequence of the securitisation of migration. #Trinidad #migration pic.twitter.com/gjofsKQxto
— Ali Zoubeidi (@DrAZoubeidi) January 26, 2025
Sambo misy faty efa lò hita tany amin'ny morontsiraka atsimoatsinanan'i Trinidad. Nanatsoaka hevitra ny polisy eto an-toerana fa avy any Maoritania ilay sambo, voina avy amin'ny fiarovana ara-pifindra-monina.
Raha ny amin'i Trinidad, hitan'ny mpiambina ny morontsiraka ilay sambo ary – na dia eo aza ny fisamboaravoaran'ny ranomasina sy ny havitsin'ny fitaovana – dia vita ny nanisy tariby hitarihana tamin'ny marainan'ny 26 Janoary. Teny an-dalana niverina ho aty an-tanibe anefa, tokony ho tamin'ny 4:00 maraina tamin'ny ora teo an-toerana (UTC-4), dia tapaka ny tariby, ary tsy hita ilay sambo na dia teo aza ny fikarohana.
Nanamarika ny TTCG fa “ mahavariana ny fitovitoviany ” amin'ny sambo iray hita tany amin'ny morontsirak'i Tobago tamin'ny May 2021, ka nahatonga azy ireo hihevitra fa “mety hitovy ny toe-javatra manodidina ity raharaha ity.” Hita tamin'io sambo io ny fatin'ireo mpifindra monina avy any Afrika Andrefana izay niezaka ny ho any amin'ny Nosy Canary, izay matetika ampiasaina ho dingana mankany Eoropa.
Na dia nampisalasala aza ny fahakinga n'ny TTCG, sy ny tsy fanànana fotodrafitrasa manoloana ny hamehana an-dranomasina ao Trinidad sy Tobago, dia faingana ny tatitra mampahatsiahy ny olona fa tsy vaovao amin'ny faritra Karaiba ny toe-javatra tahaka izao.
Tamin'ny volana aogositra 2024, efa niezaka ny hamantatra ny sisa tavela tamin'ny vatana mangatsiaka 14 farafahakeliny hita teo amin'ny sambo nilaozana tao amin'ny morontsiraka avaratra ireo manam-pahaizana momba ny fandidiampaty ao amin'ny Repoblika Dominikana. Tamin'ny Marsa 2021, nahita fatin'olona enina, noheverina ho mpifindramonina, tao anaty sambo kely iray miala ny morontsirak'i Karaiba ny manam-pahefana Nikaragoana, ary tamin'ny taona 2006, nifanena tamina sambo mitovitovy amin'izany i Barbados, ary nahita fatin'olona 11 avy any Afrika Andrefana nitady fiainana tsara kokoa ho an'ny tenany sy ny fianakaviany tamin'ity indray mitoraka ity. Efa nitranga koa ny mitovy amin'izany tamin'ireo mpifindra monina nandositra ny toe-draharaha ara-tsosialy sy toekarena ao Venezoela.
Tamin'ny 29 Janoary, nisy vatana iray — heverina ho avy amin'ireo lakana matoatoa — niantsona tany Manzanilla, morontsiraka atsinanan'i Trinidad.
Any Libya ka hatrany Italia, Tonizia ka hatrany Frantsa, ary ny Nosy Canary ka hatrany Eoropa tanibe, tsy tambo isaina ireo mpifindramonina mbola hamoy ny ainy miezaka hiampita ho any Eoropa amin'ny lalan'ny lalana feno fitaka sy mahafaty matetika [mg].
Araka ny nomarihin'ny The Conversation , miankina amin'ny politika nantsangan'ny fanjakana Eoropeana, izay mikiry hampihena ny fifindra-monina, na dia hanitsakitsahana ny zon'olombelon'ireo mpifindramonina aza, ny andraikitra amin'ny fahafatesan'ireo mpifindramonina ireo. Tamin'ny herintaona, raha nanao sonia m-pifanarahana [fr] ara-pifindramonina mampiady hevitra tamin'i Tonizia ny Vondrona Eoropeana, dia nanao sonia m-pifanarahana [mg] mampiady hevitra hamindrana ireo mpitady fialokalofana sasany avy any Grande-Bretagne ho any Rwanda ny Fanjakana Mitambatra UK; nofoanana moa ity tetika ity taty aoriana rehefa noheverin'ny Fitsarana Tampon'i Angletera ho tsy ara-dalàna izany noho ny filazana fa firenena tsy azo antoka ho an'ireo mpitady fialokalofana i Rwanda.
Tranga hatry ny ela ny fifindramonina afrikana noho ireo anton-javatra isan-karazany, anisan'izany ny fitadiavana hirika ara-toekarena tsara kokoa, ny tsy fandriam-pahalemana ara-politika, ny fifandirana ary ny fanamby ara-tontolo iainana. Naminavina ny tatitra vao haingana nataon'ny The Conversation fa hitohy soa amantsara io fironana io, satria mety hanery olona hatramin'ny 113 tapitrisa ao Afrika hifindra monina ny toe-javatra ateraky ny krizy amin'ny toetr'andro mialoha ny taona 2050.
Fa efa nivoatra ny lalam-pifindramonina any amin'ny sisintanin'ny Vondrona Eoropeana. Araka ny tatitra vao haingana nataon'ny Frontex , dia nihena 40 isanjato ny fiampitana sisintany tsy ara-dalàna mankany amin'ny V.E. tamin'ny taona 2024 raha oharina tamin'ny taona teo aloha. Na izany aza, niakatra ho any amin'ny ambaratonga avo indrindra ny zotra fiampitana afrikana tandrefana hatramin'ny nanombohan'ny fandraketana tamin'ny taona 2009.
Na maneritery aza ny lalàna (politika), mifandray akaiky amin'ny firoboroboana ara-toekarena sy ny fampandrosoana ny fivezivezena. Miha-antitra ny mponina any Eorôpa, hirika manandanja ho fanoitran'ny fitomboan-karena ny mpifindramonina sy ny mpitsoa-ponenana. Na izany aza, mamatotra ny politikan'ny fifindra-monina i Eoropa, ka mahatonga ny mpifindramonina handray ny lalana tsy ara-dalàna sy mahafaty, dia ho hita eo raha manakana fa tsy mampandroso ny fivoarany ara-toekarena manokana i Eoropa.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/04/11/174286/
|
Mameno ny banga amin'ny famatsiam-bola ho an'ny vehivavy mpandraharaha any Nizeria
| 2025-04-11T03:33:28
|
Unknown
|
Vehivavy Nizeriana any Bida, Fanjakana Niger, Nizeria. Sary avy amin'ny Gates Foundation . Nahazoana alalana.
Mandrafitra ny antsasaky ny mponina 237,5 tapitrisa ny vehivavy ao Nizeria, tombanana ho 23 tapitrisa ny vehivavy mpandraharaha ao anatin'ny 41 isanjaton'ny orinasa madinika ao amin'ny firenena. Mametraka ny firenena Afrikana Andrefana ho anisan'ireo firenena ahitana taha ambony indrindra amin'ny vehivavy mpandraharaha manerantany izany. Mandray anjara amin'ny 37 isanjaton'ny harin-karena faobe ao amin'ny firenena ny orinasan'ny vehivavy, manasongadina ny andraikitra lehibe sahanin'ny ny vehivavy amin'ny fampivoarana ny toekaren'i Nizeria.
Na dia eo aza ny anjara asa lehibe sy mavitrika sahanin'ny vehivavy mpandraharaha amin'ny fampivoarana ny toekarena manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara, mampiseho ny fanadihadiana nataon'ny Banky Iraisampirenena fa tsy dia mahomby ny orinasan'ny vehivavy raha oharina amin'ny orinasan'ny lehilahy noho ny sakana manokana amin'ny maha lahy na vavy.
Mahazo famatsiam-bola kely kokoa noho ny lehilahy namany ny vehivavy mpandraharaha. Milaza ny fikarohana fa tsy nahazo afa-tsy 14,5 isanjaton'ny renivola erantany tamin'ny taona 2021 ny startup notarihin'ny vehivavy, ary 85,5 isanjato ho an'ny ekipa tarihin'ny lehilahy. Vao mainka miharihary kokoa ao anatin'ny tsena vao misondrotra ity tsy fitoviana ity, izay tsy ahazoan'ny startup tarihin'ny vehivavy afa-tsy 7 isanjaton'ny renivola .
Fanamby atrehin'ireo vehivavy mpandraharaha Nizeriana
Hitan'ny fanadihadiana notontosain'ny Gates Foundation natao tamin'ireo vehivavy 100.000 tany Nizeria ny tsy fahampian'ny renivola ho an'ny startup na fitaovana fanombohana ho antony voalohany manakana ny 62 isanjaton'ny vehivavy tsy hahatratra ny hambony ara-toekarena .
Araka ny tatitra nataon'ny orinasa teknolojia ara-bola Nizeriana (fintech) Moniepoint, 16,7 isanjaton'ny vehivavy ihany no miezaka hahazo fampindramam-bola avy amin'ny orinasa ara-bola, na dia eo aza ny angon-drakitra fampindramam-bola mampiseho fa latsaka 2,5 noho ny an'ny lehilahy ny fampindramam-bolan'ny vehivavy. Nasongadin'ny tatitra ny olana toy ny fitongilanana tsy takatry ny amparahatoka, ny teritery ara-tsosialy sy ny fahazarana ara-bola, ary ny tsy fahampian'ny fanentanana ho toy ny fanamby lehibe amin'ny famatsiam-bola atrehin'ny orinasam-behivavy.
Matetika ny maro amin'ireo banky Nizeriana no mitaky tany na fananana ho antoka, saingy ny fenitra ara-pandovàna avy amin'ny ray mankany amin'ny zanakalahy no midìka fa zara raha ary fananana ny vehivavy. 37 isanjaton'ny vehivavy any Afrika atsimon'i Sahara ihany no manana kaonty any amin'ny banky , mainka moa fa ny fananana mifaka, izay mametra ny fahazoany mindram-bola.
Matetika tsy voasoratra anarana ara-dalàna na manana fintanana an-tsoratra ara-bola ny vehivavy mpandraharaha, indrindra any ambanivohitra, izay fepetra fototry ny fampindramam-bolan'ny banky. Manasongadina ny tatitra nataon'ny Businessday fa tsy tafiditra amin'ny tsenan'ny findramam-bola ara-dalàna ny 98 isanjaton'ny vehivavy Nizeriana, amin'ny ampahany noho ny tsy fahaizana mitantam-bola sy ny fahasarotan'ny fangatahana izay manome vahana ny lehilahy ara-paika.
Nahoana no zava-dehibe ny mameno ny banga amin'ny fampiasam-bola
Zava-dehibe ny famatsiam-bola ho an'ny vehivavy mpandraharaha any Nizeria mitovy amin'ny lehilahy noho ny antony ara-toekarena, sosialy ary fampandrosoana. Manasongadina ny fikarohana nataon'ny Gates Foundation fa mampiasa indray ny vola miditra aminy amin'ny fahasalaman'ny fianakaviana sy ny fanabeazana ny vehivavy, ka miteraka vokatra maharitra mampihena ny fahantrana amin'ny lafiny maro. Mampitombo ny fahafahany miasa sy ny fahefana mandray fanapahan-kevitra ny famatsiam-bola ho an'ny vehivavy. Ahafahan'ny vehivavy mahazo fahaleovantena ara-bola, manabe ny zanany, ary mahaika ny fenitry ny fanjakazakan-dehilahy izany, ho tombotsoan'ny fiarahamonina. Mety hampitombo 6 000 miliara dolara amin'ny harin-karena manerantany ny famenoana ny banga amin'ny famatsiam-bola 1.7 miliara dolara ho an'ny vehivavy.
Raha olana maneran-tany ny fanamby amin'ny tsy fahampian'ny fampiasam-bola amin'ny orinasa tarihin'ny vehivavy, dia miezaka manatsara ny fanohanany ireo vehivavy mpandraharaha any Nizeria ny vondrom-piarovana.
Nanamarika i Fifehan Osikanlu, tamin'ny lahateniny tao amin'ny webinar iray mitondra ny lohateny hoe “Fanomezan-kery ara-toekarena ho an'ny vehivavy” nokarakarain'ny Gatefield , mpandraharaha Nizeriana sady mpiaro ny fampiroboroboana ny toekarena ho an'ny vehivavy hoe.
While access to financial and digital resources is essential, it is not enough — true empowerment requires financial literacy, digital skills, and policies that meet women where they are. We must move beyond inclusion to ownership, investment, and leadership, ensuring women not only participate in economies but also drive and shape them. This is about power, autonomy, and legacy — transforming families, communities, mindsets, and economies.
Raha ilaina ny fidirana amin'ny loharanon-karena ara-bola sy nomerika, dia tsy ampy izany — mila fahaizana mitantam-bola, fahaizana nomerika ary politika mifanaraka amin'ny toerana misy azy ireo ny tena fanomezan-danja ny vehivavy. Tsy maintsy mandroso mihoatra ny fampidirana isika ary mampiditra ny fananana, ny fampiasam-bola ary ny fitarihana, ka miantoka fa tsy mandray anjara amin'ny toekarena fotsiny ny vehivavy fa mitarika sy mamolavola izany koa. Mikasika ny fahefana, ny fizakan-tena ary ny famindrana lova izany — manova ny fianakaviana, ny fiarahamonina, ny toe-tsaina ary ny toe-karena.
Na dia nanao dingana aza ny governemanta Nizeriana tamin'ny alalan'ny famatsiam-bola voakendry, ny fiaraha-miasa ary ny fanohanana ara-politika mba hanatsarana ny fidiram-bolan'ny vehivavy mpandraharaha, mbola zava-dehibe ny fampitomboana ireo ezaka ireo sy ny famahana ireo sakana mahazatra mba hampitombo ny tanjak'izy ireo ara-toekarena.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/04/02/174160/
|
“Ny firaisankina no hery”, vondronà Malagasy mpirotsaka an-tsitrapo manolo-tena hikajy sy hitahiry ny vakoky ny firenena
| 2025-04-02T04:55:28
|
Unknown
|
Ny 21 Febroary 2025 lasa teo, kisendrasendra no nahitako ranty iray tao amin'ny Facebook mitady mpirotsaka an-tsitrapo vonona hifarimbona hiara-hiasa hiaro sy hikajy ny valanjavaboarin'olon-tsotra ao Tsarasaotra , fantatra amin'ny anarana hoe Parc Tsarasaotra na koa Parc des oiseaux :
Sarin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo sasany namaly ny antso. Sary nalain'i Manoa Faliarivola . Nahazoana alàlana.
Paradisa kely ao afovoan'Antananarivo, Madagasikara, izy io ary nampidirina anatin'ireo toerana Ramsar tamin'ny taona 2005. Tontolo masin'ny vorona ity toerana ity, izay mampiantrano karazam-borona 14 tsy misy afa-tsy ao Madagasikara, araka ny tatitry ny tranonkala ofisialin'ny Ramsar ny taona 2017 izay nohamafisin'ny Office National du Tourisme de Madagascar tamin'ny 2024. Anisan'ireo vorona misy ao, ohatra, ny Canard de Meller , izay hitanay nandritra ny fitsidihana voalohany ilay toerana.
Na dia kely ihany aza ny finoan'ilay olona nitarika ity hetsika ity tany am-boalohany ny amin'ny ho fahalianan'ny olona hanao asa an-tsitrapo, dia gaga sady faly izy rehefa nahita fa tsy olona am-polony fotsiny no namaly ny antsony, fa efapolo mahery, ary avy amin'ny sehatra mivelatra be: ao ireo mpikaroka momba ny fahamaroanaina , mpitaridia, mpaka sary, mpandika teny, mpianatry ny oniversite… Na ny ankizy aza liana sy mandray anjara anatin'izany ihany koa! Samy hafa, nefa nampiraisin'ny faniriany sy ny fitiavany hiaro ny tontolo iainana sy hametra ny fandotoan'ny olombelona ny natiora.
Ilay farihy rakotra tsikafonkafona. Sary nalain'i Manoa Faliarivola . Nahazoana alàlana.
Ankehitriny, mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika tsy latsaky ny folo no mandray anjara isaky ny misy hetsika atao: fanongotana ireo bozaka sy ireo zavamaniry mora mirongatra toy ny tsikafonkafona sy ny vahy ( liane ), fitsimponana ireo fako plastika…
Ny ekipa mifarimbona manala ireo tsikafonkafona manarona ny farihy. Sary nalain'i Mira Andrianarisoa . Nahazoana alàlana.
Ny ekipa mpitsindroka ireo fako plastika. Sary nalain'i Manoa Faliarivola . Nahazoana alàlana.
Ireo mpanala ny bozaka sy zavamaniry mandrakotra sy mamono tsikelikely ireo hazo manodidina. Sary nalain'i Manoa Faliarivola . Nahazoana alàlana.
Tsy miserana fotsiny ihany ireo hetsika ireo, satria anatin'ny tanjon'ny vondrona ny hampaharitra io tetikasa io, sy ny hanitarana ny hetsika ho any aminà faritra hafa ihany koa. Izao hetsika izao no atao dia ny mba hanairana koa ny mpiara-belona amin'ny lanjan'ny firaisankina, sy tsy hiandry lava ny famatsiambola avy aminà fikambanana lehibe vao hihetsika, fa manomboka amin'izay kely ananana. Tsara lavitra ny manao ezaka kely tsy tapaka noho ny tsy manao mihitsy fa mitazana fotsiny ny fahapotehan'ity nosy Madagasikara kantonay ity isan-taona.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/04/09/174152/
|
Misy fiantraikany amin'ny nentim-paharazana ireo fiovantsiron-tsakafon'ny Ramadany ao Maoritania
| 2025-04-09T03:28:58
|
Unknown
|
Sary manokana nopihina tao amin'ny Youtube Video الأكلات الموريتانية.. تنوع غذائي ينفتحُ على مطاب الجوار tao amin'ny Fantsona YouTube Alaraby . Fampiasana ara-drariny
Lahatsoratr ‘ Ahmed Jedou, bilaogera sady mpikatroka Maoritaniana, ary navoakan'ny Raseef 22* voalohany tamin'ny teny Arabo ny 17 Martsa 2025. Nadika tamin'ny teny anglisy ny dika nasiam-panovàna ary navoaka tato amin'ny Global Voices araka ny fifanarahana mifampizara votoaty.
Isan-taona, miandry fatratra ny volana Ramadany sy ny sakafo “iftar” anapahana ny fifadian-kanina isan'andro rehefa mody masoandro ny Maoritaniana. Na izany aza anefa tato anatin'ny taona vitsivitsy, nahitàm-piovana ny latabatry ny Ramadany Maoritaniana, ka nanjary nahitàna karazan-tsakafo hafa maro kokoa, na ny kalitaony na ny habetsany, izay manintona tokoa, indrindra ny sakafo Afrikana tavaratra sy ny sakafo Tatsinanana (fiposahan'ny masoandro).
Hatramin'ny medhaq ka hatramin'ny batbout
Taloha, zik na shenin, ranomboankazo mamelombelon'aina, no tena nalaza teo ambony latabatra Ramadany. Manala hetaheta ny olona mifady hanina izy io, amin'ny tsiro mamy marikivy. Yaourt nolaroina siramamy sy rano no nanamboarana azy, mety ho matevina mety ho manify arakaraka izay hitiavana azy. Misy ihany koa ny manamboatra azy amin'ny ronono ampiarahina rano, ampiana daty ary hatao tsindrin-tsakafo.
Manaraka izany, ahitana lasopy mamelombelon'aina manafana ny vatana koa, aorian'ny tontolo andro maro nifadian-kanina, antsoina hoe nasha na sakhina. Lasopy vita amin'ny apemby, katsaka, varimbazaha na vary orza io nasha io, ary sotroina amin'izao na amin'ny ronono. Ahitana kaopin-dite miisa telo ihany koa, izay fomba mbola hamasinina, voamariky ny fotoana hisaintsainana sy ny hitoniana.
Tonga avy eo ny hena atajin (tagine), mpanjakan'ny eo an-databatra. Indraindray malefaka izy io, indraindray aroso miaraka amin'ny tishtar sy wadak. Hena nohamainina manitra avy any an'efitra ny Tishtar. Ahantona amin'ny tady mandritra ny andro maromaro mandra-pahamainany tanteraka. Avy eo, apetraka anaty fitehirizana vita amin'ny hoditra, azo totoina izy ho lasa qadeed (kitoza maina) vonona hohanina. Aroso miaraka amin'ny wadak (menaka) azo avy amin'ny trafon-drameva no fanao amin'io Tishtar io, ravahan'ny nahandro hafa mazava ho azy.
Rehefa nandeha teny ny fotoana, dia nanjary niova ny fikarakarana io atajine io. Ankehitriny dia misy ny tagine akoho sy trondro, misy koa ny sakafo banafa malaza izay vita amin'ny hena, ovy ary tongolo. Aroso miaraka amin'ny mofo dipaina ny banafa. Aroso miaraka amin'ny hena an-damosin'ny rameva koa ny Felka , izay ahandroana amin'ny tongolo sy sira kely. Ahandroana tsy asiana rano satria mora masaka ary ampiarahina amin'ny mofo dipaina.
Aorian'ny atajine, aroso indray ny couscous nentim-paharazana, izay aroso miaraka amin'ny hena sy legioma, eo koa ny vary efa mahazatra misy hena sy anana, akoho na trondro.
Fisokafana ho amin'ny nahandro hafa
Taona maromaro anefa izay, hita ho nihamaro karazana ireo sakafo fanao, ohatra ny fisian'ny sakafo maivamaivana toy ny vatomamy, mofomamy, ny sakafo sesika avy ao Maghreb sy avy any Atsinanana ary toeran-kafa ihany koa. Isan'izany ny batbout, ny samosa, ny mofo manify misy hena sy legioma ao anatiny, ny paty sy ovy niara-nahandroana misy fromazy, ny krepy, ny mofo tantely, ny tsakotsako, ary ny chebakia , na dia efa tonga talohan'ny hafa aza ity farany ity.
Toraka izany ihany koa, nahazo toerana eo amin'ny latabatra Ramadany ny lasopy harira Maraokana, eo koa ny soub izay misy hena sy legioma. Ho fanampin'izany, ahitana ranomboankazo maro ihany koa ; izay aroso amin'ny iftar maoritaniana, eo koa ny zava-pisotro nentim-paharazana, anisan'izany ny hibiscus, fantatra any an-toerana amin'ny anarana hoe bissam, sy ny tajmakht , zava-pisotro vita avy amin'ny voankazo renala (baobab).
Antony mety nahatonga io fiovàna io ny fisokafana tamin'ny vahoaka Arabo sy Afrikana hafa, na tamin'ny alalàn'ny aterineto na tambajotra sosialy, na koa tamin'ny alalàn'ny Youtube na fantsom(-pahitalavitra) avy amin'ny zanabolana. Mora nidiran'ireny fanintonana ireny ny nahandro fanao Ramadany nanomboka teo.
Raha ny tena izy dia any amin'ny toeram-pisakafoana ao Maghreb sy Tatsinanana, toeram-pivarotana karazana mofo, sy ny tsena voatokana, no tena ahitàna ireo mofo sy vatomamy sy ranomboankazo. Na izany aza anefa, miha-mitombo ireo Maoritaniana manamboatra azy io any an-tranony, ho anisan'ny sakafony sady zarainy am-pireharehana eny amin'ny tambajotra sosialy samihafa izany.
Fanamby amin'ny fahasamihafana ara-pahasalamana
Nanazava tamin'ny Raseef22 i Arabiya Sidi Ibrahim Ahna, Maoritaniana manam-pahaizana manokana momba ny sakafo hoe : “Eo amin'ny hain-tsakafo, lazainay hatrany hoe, arakaraka ny fihinana sakafo natoraly, tsy misy fanodinana na singa simika fitehirizana azy, no mahatsara azy kokoa. Ary rehefa ny vatana no mahita tombony amin'izany, dia tsy hanimba azy izany.”
Nanamarika izy fa “Ny iftar maoritaniana tamin'izany dia ahitàna daty, amidon sy zava-pisotro antsoina hoe zrig, namboarina tamin'ny rononon-drameva, osy na ombin'ny fianakaviana. Namboarina tamin'ny alalàn'io ronono io ihany koa ny dibera ary nohanina niaraka tamin'ny daty, sy amidon azo avy amin'ny famokàrana nentim-paharazana toy ny vary orza, ny varim-bazaha na katsaka” Nanazava i Ahna hoe sakafo maraina mahazatra tena feno sy tsara indrindra izy io raha ny fenitra ara-tsakafo, satria ireo mpifady hanina dia afaka mahazo siramamy amin'ny fihinanana ny daty, eo koa ny tavy avy amin'ny dibera sy ny gliosida avy amin'io amidon io. “Aorian'izay izy ireo mihinana hena misy proteinina, izay sakafo tena tsara ho an'ny fahasalamana.” Hoy ihany izy.
Nantitranteriny anefa ny fiantraikan'ny sakafo Tatsinanana sy Maghrebi, sy ny maha-zava-dehibe ny fahamaroan-karazan-tsakafo. “Koa satria, tsy mba maro karazana ny sakafontsika, ary ny hena no tena betsaka, ny couscous ary ny vary, kanefa etsy andaniny tsy mba ahitàna salady, dia mitandrina kokoa aho amin'ny fanintonan'ny sakafo hafa”
Hoy ihany izy nanazava :
Our experience with other cuisines could have been better, by importing healthy and beneficial meals, those that rely more on salads and vegetables, rather than fried and fatty meals full of fat, maintaining the same level of health that has distinguished us. We imported batbout, for example, and crepes, which are pastries made from the simplest carbohydrates that are best avoided as much as possible.
“Mety ho tsara kokoa ny fahazarana amin'ny nahandro hafa, amin'ny fitondrana sakafo ara-pahasalamana sy mahasoa, ireo miankina kokoa amin'ny salady sy ny legioma, fa tsy amin'ny sakafo endasina sy matavy, mba hitazomana hatrany ny haavom-pahasalamana nampiavaka antsika. Nanafatra batbout isika, ohatra, sy ny sakafo mamy rehetra misy gliosida izay tsotra indrindra nefa tsara ialàna raha azo atao.”
Ireo fahabangàna
Nosoritan'i Ahna fa raha dinihina akaiky ny nahandro latabatra Ramadany maoritaniana, oharina ny taloha sy ny ankehitriny, eo amin'ny lafin'ny habetsahany sy ny tsy fahampiany, ary ny fiantraikany amin'ny fahasalamana dia :
The deficiencies in the Mauritanian table lie primarily in the lack of vitamins and minerals, with a relatively good presence of proteins, carbohydrates, and fats. As a specialist, I rarely prescribe a vitamin and mineral test for someone without the results indicating a significant deficiency, especially vitamin D.
“Tsy ampy vitamina sy mineraly ny nahandro maoritaniana, fa betsaka proteinina, gliosida ary ny matavy. Amin'ny maha-manam-pahaizana manokana ahy, dia rariny aho raha mampanao fitsapana vitamina sy mineraly olona iray izay ahitàna tsy fahampiana goavana, indrindra ny vitamina D.”
Ao amin'ny fampifangaroana vitamina samihafa matetika ny olana, izay manamora ny fandevonana ny vitamina D, araka ny fanazavany. Satria “Rojo mifampisakambina io, ary miantraika amin'ny hafa ny tsi-fisian'ny iray” hoy hatrany i Ahna.
Olana voalohany amin'izany, ho an'i Ahna, ny fahabangan'ny kolontsain-tsakafo ara-pahasalamana manerana ny sehatra sosialy. “Tsy misy miraharaha ny rehetra, eny fa na dia vato fehizoro lehibe aza izany. Mila ezaka iombonana ihany koa, hanentanana ny fandraisan'andraikitry ny fitondram-panjakana sy ny andry eo aminy, ho amin'ny fanentanana ny maha-zava-dehibe ny sakafo ara-pahasalamana.”
Manoro hevitra ny hampidirana isan'andro ny legioma sy ny voankazo ho amin'ny nahandro maoritaniana izy, sy ireo matavy tsy mahavoky toy ny menaka oliva ohatra, ny voanio, ny voanjo sy ny maro hafa.
Miantehitra amin'ny voankazo vokatra ao amin'ny taninao no tena fomba tsara indrindra hoy izy ; “Ny vokatra azo avy amin'ny taninao no misy ny vitamina sy mineraly ilainao, ary raha ny Maoritaniana tsirairay no mihinana ny vokatra avy ao aminy isan'andro, dia ho azony izay rehetra ilain'ny vatany.”
|
https://mg.globalvoices.org/2025/04/07/174057/
|
Fanontaniana sy valiny: Fantaro i Daniel Abugre Anyorigya, mpikatroky ny fiteny Gurene sady Wikimediana
| 2025-04-07T03:50:53
|
Unknown
|
Sarin'i Daniel Abugre Anyorigya sady nomeny rahatelo, nahazoana alalana
Avy amin'i Umasoye Franca Igwe
Tafatafa hanasongadinana ireo mpikatroky ny fiteny sady Wikimediana, mikaroka ny fomba hitahirizana, hampiroboroboana ary hamelomana indray ny fiteniny amin'ny alalan'ny tetikasa Wikimedia, mampiasa fitaovana ankihy hizakàna ny tanjony ankapobe. Amin'ity lahatsoratra ity Umasoye Franca Igwe niantsafa an'i Daniel Abugre Anyoriga, mpanao gazety, mpiaro ny fiteny, ary mpiara-manorina ny vondrom-piarahamonina Wikimedia Gurene , izaràna ny tantarany manome vahana ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Gurene handrakitra sy hizara fahalalàna amin'ny fitenin'izy ireo, dia ny Gurene , fantatra ihany koa amin'ny hoe Farfare ary ampiasain'olona maherin'ny 660.000.
Rising Voices (RV): Mba lazao anay ny momba anao azafady
Daniel Abugre Anyoriga (DAA): My name is Daniel Abugre Anyorigya, and I am a journalist, language advocate, and co-founder of the Gurene Wikimedia Community. My passion lies in preserving and promoting Indigenous languages through digital platforms. Through my work, I focus on empowering communities to document and share knowledge in their native language, particularly Mole-Dagbani languages especially my mother tongue Gurene, one of the Gur languages spoken in Ghana.
Daniel Abugre Anyoriga (DAA): Daniel Abugre Anyorigya no anarako, ary mpanao gazety aho, mpiaro ny teny, ary mpiara-manorina ny Fokonolona Wikimedia Gurene. Ny fitahirizana sy fampiroboroboana ny teny indizeny amin'ny alàlan'ny sehatra ankihy no tena tiako. Ao amin'ny asako no ifantohako amin'ny fanomezana vahana ireo vondrom-piarahamonina mba handrakitra sy hizara fahalalàna amin'ny fitenin-drazany, indrindra ny fiteny Mole-Dagbani fa singaniko ny fitenin-dreniko Gurene, iray amin'ireo fiteny Gur ifampiresahana ao Ghana.
RV: Manao ahoana ny toetry ny fiteninao amin'izao fotoana izao anjotra sy ivelan-jotra?
DAA: Gurene, like many Indigenous African languages, faces challenges both online and offline. While people actively speak it in parts of northern Ghana and parts of southern Burkina Faso, its presence in digital spaces is still limited. However, efforts are being made to change this through initiatives such as the Gurene Wikimedia Community, which seeks to increase the availability of Gurene-language content on Wikipedia and other digital platforms. Additionally, Paul Azunre added the Gurene language to his language learning app called the Khaya App.
From an educational perspective, Gurene was taught at the University of Education, Winneba, Ghana, for several years. However, it was only about two years ago that the government approved its inclusion in the basic school curriculum. Within its communities, Gurene is spoken in daily conversations and is recognized in some local media and educational settings, but it lacks widespread formal documentation and institutional support.
DAA : Miatrika fanamby tahaka ireo fiteny Afrikana teratany maro ny fiteny Gurene na anjotra na ivelan-jotra. Raha mazoto miteny izany ny olona any amin'ny faritra avaratr'i Ghana sy any amin'ny faritra atsimon'i Burkina Faso, dia mbola voafetra ihany ny fisiany amin'ny habaka ankihy. Na izany aza, ezahina ovaina izany amin'ny alalan'ny hetsika toy ny Fokonolona Wikimedia Gurene, izay mikatsaka ny hampitombo ny fisian'ny votoaty amin'ny teny Gurene ao amin'ny Wikipedia sy ireo sehatra ankihy hafa. Fanampin'izany, nampian'i Paul Azunre ao amin'ny fampiharana fianarana fiteny antsoina hoe Khaya App ny fiteny Gurene.
Avy amin'ny fomba fijery ara-panabeazana, nampianarina tao amin'ny Oniversiten'ny Fanabeazana, Winneba, Ghana, nandritra ny taona maromaro ny fiteny Gurene. Vao roa taona teo ho eo anefa izay no nankatoavin’ny fanjakana ny hampidirana azy ao anatin’ny fandaharam-pianarana fototra. Ao anatin'ny vondrom-piarahamonina misy azy, tenenina amin'ny resaka isan'andro ary fantatra amin'ny haino aman-jery sasany eo an-toerana sy eo amin'ny sehatry ny fanabeazana ny fiteny Gurene, saingy tsy manana lahatahiry ofisialy sy fanohanan'ny andrim-panjakana.
RV: Inona no manosika anao manokana handray anjara amin'ny fikatrohana nomerika ho an'ny fiteninao?
DAA: Language is a powerful tool for identity, culture, and knowledge preservation. The digital world is becoming the primary space where information is shared, and if our language does not have a presence there, it risks being forgotten by future generations. My motivation stems from the belief that every language deserves a space in the digital landscape. Seeing how other Indigenous languages have been marginalized in online spaces reinforces my commitment to ensuring that Gurene thrives digitally.
DAA : Fitaovana mahery vaika ny fiteny amin'ny fitahirizana ny mari-panondroana, ny kolontsaina ary ny fahalalàna. Lasa sehatra voalohany izarana ny vaovao ny tontolo ankihy, ary raha tsy hita ao ny fitenintsika, dia mety ho hadinon'ny taranaka hoavy izany. Hery manosika ahy ny finoana fa mendrika hanan-toerana ao amin'ny tontolo ankihy ny fiteny tsirairay. Ny fahitana ny fomba ametrahana ireo fiteny teratany hafa anjorom-bala ao amin'ny habaka anjotra no nanamafy ny fanoloran-tenako hampiroborobo ny fiteny Gurene amin'ny lafiny ankihy.
RV: Azonao faritana antsipiriany kokoa ve ny fikatrohanao anjotra amin'ny fiteny, anisan'izany ny ezaka fandraisanao anjara amin'ny tetikasa Wikimedia?
DAA: My online language activism is centered on creating and promoting Gurene-language content on digital platforms, with a strong focus on open knowledge platforms. As part of the Gurene Wikimedia Community, we actively work to develop Gurene Wikipedia by translating articles, improving existing content, and encouraging community participation in editing and content Creation.
Additionally, we leverage Wikimedia Commons, a sister project of Wikipedia's, to upload media related to Gurene culture, including audio pronunciations, videos, and images that reflect our heritage. Wikidata, another sister project of Wikipedia's, also plays a crucial role in structuring information about Gurene, linking it to other languages and knowledge bases.
Beyond Wikimedia, we engage in digital literacy programs, workshops, and outreach efforts to encourage young people and community members to contribute to online language activism. The goal is to build a vibrant digital ecosystem where Gurene can thrive and be recognized globally.
DAA : Mifantoka amin'ny famoronana sy fampiroboroboana votoatin-teny Gurene amin'ny sehatra ankihy ny fikatrohako anjotra, Mifantoka fatratra amin'ny seha-pahalalàna tsimanavaka. Ao anatin'ny vondrom-piarahamonina Wikimedia Gurene izahay mavitrika amin'ny fampivelarana ny Wikipedia Gurene amin'ny fandikana lahatsoratra, fanatsarana votoaty, ary fandrisihana ny vondrom-piarahamonina handray anjara amin'ny fanitsiana sy famoronana votoaty.
Fanampin'izany, mampiasa Wikimedia Commons izahay, izay tetikasan'ny Wikipedia hafa, mba hanesika media mifandraika amin'ny kolontsaina Gurene, anatin'izany ny fanononana feo, horonan-tsary ary sary maneho ny lovanay. Mitana anjara toerana lehibe amin'ny fandrafetana ny torohain'ny Gurene ny Wikidata, tetikasan'ny Wikipedia iray hafa, mampifandray izany amin'ny fiteny hafa sy tobim-pahalalàna.
Ankoatra an'i Wikimedia, dia miroboka amin'ny fandaharan'asam-pampianarana mamaky teny sy manoratra ankihy koa izahay, sy amin'ny atrikasa sy ezaka fanentanana handrisihana ny tanora sy ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina handray anjara amin'ny fikatrohana ankotran'ny fiteny. Tanjona ny hanorina tontolo iainana ankihy mavitrika ahafahana mampiroborobo ny fiteny Gurene sy ho fantatra manerantany.
RV: Inona avy ireo fanamby natrehinao amin'ny fiarovana ny fiteninao ao amin'ny tetikasa Wikimedia Foundation, ary ahoana no nandresenao ny sasany tamin'izy ireo?
DAA: The challenges we face include the lack of secondary sources to support our edits on English Wikipedia, leading to frequent rejections from editors and administrators. Additionally, there is a lack of technical on-wiki tools for editors of our local language wiki, most of whom are students in tertiary institutions in Ghana. Furthermore, inadequate funding remains a significant challenge for Indigenous-language focused groups such as the Gurene Wikimedia Community.
However, we have found ways to overcome some of these challenges. To address the issue of secondary sources, we encourage our community members to write and publish articles, thereby increasing the availability of literature online and on other publication platforms. We also rely on partnerships with other Indigenous language communities to amplify our impact, including our collaboration with our parent organization, the Dagbani Wikimedians User Group. Additionally, we provide continuous mentorship to strengthen our editor base, recognizing that our work is driven entirely by volunteers in Ghana.
DAA: Fanamby natrehinay ny tsi-fisian'ny loharanom-baovao faharoa hanohanana ny fanitsiana ataonay ao amin'ny Wikipedia teny anglisy, ka mahatonga ny fitsipahana matetika avy amin'ny mpanitsy sy ny mpitantana. Fanampin'izany, tsy ampy teknikam-pikirakiràna wiki ny tonian-dahatsoratry ny wiki amin'ny fiteny eto an-toerana, izay mpianatra ao amin'ny sampam-pianarana ambony ao Ghana ny ankamaroany. Fanampin'izany, mbola fanamby lehibe ho an'ireo vondrona mifantoka amin'ny teny indizeny toy ny Fokonolona Wikimedia Gurene ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola.
Na izany aza, nahita fomba handavoana ny sasany amin'ireo fanamby ireo izahay. Mba hamahàna ny olan'ny loharanom-baovao faharoa, dia mandrisika ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamoninay izahay mba hanoratra sy hamoaka lahatsoratra, ka hampitombo ny fisian'ny literatiora anjotra sy amin'ny sehatra famoahana hafa. Miantehitra amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo vondrom-piarahamonin'ny mpiteny indizeny hafa ihany koa izahay mba hahamafy orina kokoa ny ataonay, anatin'izany ny fiaraha-miasa amin'ny fikambanana akaiky toy ny Dagbani Wikimedians User Group . Fanampin'izany, tsy tapaka manome toro-hevitra izahay mba hanamafisana orina ny tobim-panitsiana, amin'ny fankatoavana fa ny mpilatsaka an-tsitrapo manontolo no mitarika ny asanay eto Ghana.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/04/10/173990/
|
Fanontaniana sy valiny: Fantaro i Musah Fuseini, mpikatroka ho an'ny fiteny Dagbani
| 2025-04-10T05:00:15
|
Unknown
|
Saripikan'i Musah Fuseini, natolotr'i Musah Fuseini. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Asongadin'ity andian-dahatsoratra ity ny dia manokana ataon'ireo Wikimediana sady mpikatroka ho an'ny fiteny ihany koa, mitrandraka ny fomba ataon-dry zareo hitahirizana, hampiroboroboana, ary hanomezana aina vao ny fitenin-dry zareo amin'ny alàlan'ireo tetikasa Wikimedia, amin'ny fampiasàna ireo fitaovana nomerika hanatratrarany ireo tanjony midadasika kokoa. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, Subhashish Panigrahi dia nitafa tamin'ilay Ganeana, Musah Fuseini, izay mandray anjara amin'ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani. Ny Dagbani dia ifampitenenan'ireo olona mihoatra ny iray tapitrisa ao Ganà sy any avaratr'i Togo. Nasiam-panovàna ilay tafatafa mba ho fohy sy hazava kokoa.
Rising Voices (RV): Azafady, mba lazao anay ny mombamomba anao .
Musah Fuseini (MF) : Musah Fuseini no anarako, mpampianatra ny fiteny Dagbani , Wikimediana, mpankafy ny Open Educational Resources (OER), ary indizeny mpikatroka ho an'ny fiteny. Nandritra ny 17 taona, nampianatra tao anatin'ny rafi-panabeazana ganeana aho. Ankoatra ny fampianarana ny fiteny Dagbani, dia tale lefitra ao amin'ny sekoly ampianarako ihany koa aho . Ampiasaiko ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani hikarohana antontan-kevitra fakàna hevitra rehefa manomana ireo lesona Dagbani aho. Tarihako ihany koa ireo mpianatro ho any amin'ny Wikipedia mba ho afa-miditra amin'ireo loharanon-kevitra rehefa mamita ireo asa anendrena an-dry zareo.
RV: Ahoana ny sata amin'izao fotoana ananan'ny fiteninareo eny an-tambajotra sy ivelan'ny aterineto?
MF : Tsy dia hita loatra anaty tambajotra ny fiteny Dagbani. Tranonkala vitsivitsy monja, toy ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani no manana votoaty amin'ilay fiteny. Tsy dia betsaka ihany koa ireo mpitsidika hitantsika satria ny ankamaroan'ireo mpiteny Dagbani dia tsy ampy fahafehezana ny fiteny Dagbani. Vitsy ireo tranonkala mamoaka votoaty amin'ny fiteny Dagbani ary maro no efa nanjavona. Ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani no heveriko ho tranonkala manokan-tena sy mavitrika indrindra manao votoaty amin'ny fiteninay. Izahay rehetra, mpamoaka lahatsoratra miasa an-tsitrapo, dia mamoaka daholo ao amin'ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani. Na izany aza, ny olana dia mitoetra amin'ny tsy fahampian'ny mpitsidika satria ny ankamaroan'ireo mpiteny ny Dagbani dia tsy ampy traikefa amin'ilay fiteny. Io olana io no nanosika ahy hisoratra anarana tamin'ny fandaharanasa Open Education for a Better World (OE4BW) mba hamorona OER ( Open Educational Resources) ary hanampy ny hafa hamaky sy hanoratra amin'ny fiteny Dagbani.
RV: Inona no tena manosika anao manokana hirotsaka an-tsehatra amin'ny fikatrohana nomerika ho an'ny fiteninao?
MF : Ireharehàko ny fananako hirika mandray anjara amin'ny sehatra nomerika toy ny Wikipedia mba hampiroboroboana sy hitahirizana ny fiteniko ety an-tambajotra ho an'ireo taranaka hoavy. Amin'ny maha-mpampianatra ny fiteny Dagbani ahy, tsikaritro fa, tety anaty tambajotra, tsy nisy loharanom-pampianarana sy fianarana sahaza ho an'ireo hafa mpampianatra sy mpianatra ny fiteny Dagbani. Araka izany, rehefa tafiditra tao amin'ny Wikipedia aho, tsapako fa azoko atao ho fanoitra ilay izy mba hamenoana io banga io.
Ny nahalalàko ny momba ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani dia tamin'ny alàlan'i Sadik Shahadu , tale mpanatanteraka amin'izao fotoana izao ao amin'ny Vondron'ireo Wikimediana mpampiasa ny fiteny Dagbani . Tamin'izany izy dia nizara tao amin'ny Facebook momba ny fitadiavana mpirotsaka an-tsitrapo ho mpamoaka lahatsotra ao amin'ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani. Nifandray taminy aho, naneho ny fahalianako ary nandray ahy sy ireo mpiara-miasa amiko izy tamin'ny alàlan'ireo andiana fiofanana. Ny tetikasanay voalohany dia ny fandikana ireo hafatra sasany tao amin'ny Translatewiki.Net . Nanofanana anay ny fomba fanovàna ao amin'ny Wikipedia sy famoronana lahatsoratra bebe kokoa ao amin'ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani, ary avy eo tao anaty fikotrehana. Tanaty fotoana tena fohy no nanaovanay izany, ka nahafahanay niala ny tetezamita avy any amin'ny fikotrehana ary nankany amin'ny Wikimedia mivantana sy feno. Araka izany dia nanam-bintana aho ho iray amin'ireo mpikambana nanorina ilay Vondron'ny Mpampiasa izay nandray anjara ihany koa nametraka votoaty ho an'ny Fikotrehana ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani, tamin'ny fanampiana azy hisondrotra ho Wikipedia an-tambajotra. Ireharehàko ny maha-mpamoaka lahatsoratra ahy ao amin'ny Vondronay Mpampiasa ary ny nahatratrarana fanovàna niisa 1.000 tao amin'ny Wikipedia.
RV: Afaka soritanao amin'ny antsipirihany ve ny fikatrohanao an-tambajotra ho an'ny fiteny, isan'izany ny fomba andraisan'ireo tetikasa Wikimedia anjara anatin'ireo ezaka ataonao ?
MF : Ankoatra ny fandraisako anjara amin'ny Wikipedia sy ireo tetikasa hafan'ny Wikimedia amin'ny fiteny Dagbani, izay tena ankafiziko tokoa, dia manoratra ihany koa ao amin'ny tambajotra sôsialy aho amin'ny/momba ny fiteniko. Antenaiko ny hamoaka tranonkala iray vaovao amin'ny fiteny Dagbani manontolo mba hisian'ny votoaty amin'ny fiteny Dagbani bebe kokoa ety anaty tambajotra. Nanomboka tamin'ny 2022, fandaharanasa telo nisesy an'ny Open Education for a Better World (OE4BW) no nandraisako anjara, izay nandrafetako Open Educational Resources (OERs) amin'ny fiteny Dagbani. Nanao ihany koa aho ny asa maha-mpitarika tetikasa tamin'ny Vondrompiarahamonina Wikimedia amin'ny fiteny Kusaal , manome tohana ara-teknika amin'ny fananganana Wikipedia amin'ny fiteny Kusaal ety an-tambajotra. Ny Kusaal dia afaka ampifanarahana tsara amin'ny Dagbani ary ampahany amin'ny vondron'ny fiteny Gur /Mabia ifampiresahan'olona 121.000, indrindra fa ao avaratr'i Ganà.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/03/26/174095/
|
Ao RDC, ataon'ny Green Afia ho anton-draharahany ny fanabeazana maitso
| 2025-03-26T05:55:47
|
Unknown
|
Sarin'i Hervé Mukulu, tonian-dahatsoratry ny Green Afia ; Sary nahazoana alàlana
Ao Afrika, misy haino-vaky-jery vaovao mipetraka ho mpisehatra fototra hiady amin'ny fahasimban'ny tontolo iainana sy ny fiovàn'ny toetrandro.
Andraikitry ny rehetra ny fiarovana ny tontolo iainana. Ao amin'ny tanibe afrikàna, manolo-tena hiady ho an'ny rariny ara-toetrandro ireo pôlitisiàna, mpisehatra avy amin'ny fiarahamonim-pirenena , manampahaizana, mpahay siansa , mpikatroka ho an'ny toetrandro, tanora ary olona isankarazany manana ny maha-izy azy. Tsy fahita firy io amin'ireo haino-vaky-jery , saingy ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC), ataon'ny Green Afia ho anton-draharahany ny fampiroboroboana ny fanabeazana maitso. Tamin'ny alàlan'ny fifanakalozana tao amin'ny WhatsApp i Hervé Mukulu, tonian-dahatsoratry ny Green Afia no nanazava tamin'ny Global Voices ny vina momba ny rariny ara-toetrandro tohanan'io sehatra mampiasa ny fiteny frantsay io.
Jean Sovon (JS): Inona no mampiavaka anareo amin'ireo haino-vaky-jery hafa ao RDC?
Hervé Mukulu (HM) : Ny Green Afia Magazine dia haino-vaky-jery iray manokan-tena ho amin'ny fanabeazana maitso. Izany dia tontosaina amin'ny alàlan'ny famokarana tatitra, fanadihadiana, fandalinana, fihaonana fisaintsainana ary fanentanana momba ireo fanamby ara-tontolo iainana sy ara-pahasalamàna ao amin'ny debok'i Kôngô. Ireo lohahevitra lalainay dia ny toetrandro, ny fahamaroam-piainana, ny fahasalamana, ny fambolena ary izay rehetra mifandraika amin'ny tontolo iainana.
Ny mampiavaka anay dia ny maha-haino-vaky-jery mpanangona angondrakitra mifantoka amin'ny tontolo iainana. Rehefa aseho amin'ny tarehimarika, sarintany sy kisary, mora takatra mazava kokoa ireo fanamby sy vahaolana ahafaha-miatrika, izay adidy anananay ny fampitàna ny feo.
JS: Inona avy ireo sakana goavana ananareo ary ahoana no fomba ihoaranareo azy ireny?
HM : Mitaky fotoana mba hamantarana ny pitsopitsony rehetra amin'ilay olana ireo lohahevitra mifamatotra amin'ny tontolo iainana. Fotoana hanatonana ireo manampahaizana manokana, ireo angondrakitra ara-tarehimarika, ireo fijoroana ho vavolombelona izay tsy maintsy anaovana fanamarinana satria ny tsy fanomezana afa-tsy lakolosy tokana amin'ilay olana dia mety tena hanimba be tokoa. Ny fotoana, ho entina mamantatra ireo ezaka natao mba hamahàna ireny olana ireny. Rehefa miteny hoe fotoana dia midika ihany koa izany fahafahana ara-bola sy teknika ho entina manatontosa fanadihadiana iray. Hatreto, tsy misy afa-tsy ny fitiavana ny asa fanaovana gazety mikatsaka vahaolana no manetsika anay. Mba hanatontosàna ireny tatitra ireny, amin'ny fanaovanay sorona ny fotoananay sy ny fitaovanay manokana, atosakay izay rehetra ezaka ilaina mba hanatrarana ireo olona sy ireo loharano ary hahazoana ireo angondrakitra.
JS: Inona no anjara toerana tànan'ny haino-vaky-jery ao RDC amin'ny resaka olan'ny fiovàn'ny toetrandro ?
HM : Ny firenena iray toa an'i RDC ao anatin'ny faritry ny Debok'i Kôngô , izay ny ady no mikiky azy toy ny vaovao mibahan-toerana, ny fikirizana ho tafavoaka velona no mahatonga ireo vaovao momba ny resaka fiarovana hahazo ampahany betsaka amin'ny filàna vaovao eny anivon'ny vahoaka. Saingy asehony fa mifamatotra daholo izany rehetra izany: ireo fanamby ara-toekarena, fiarovana, sôsialy izay aterak'io olana ara-piarovana io dia miteraka ihany koa ireo fanamby ara-tontolo iainana mendrika ny fifantohantsaintsika. Manoloana ny tsy fahombiazan'ireo sampan-draharaham-panjakàna, azo atao ny manao hetsika eny ifotony mba hisian'ny fiantraikany maneran-tany. Araka izany dia omenay toerana ireo vahaolana ahafaha-miatrika avy eny ifotony. Amin'ny maha-Green Afia, izahay dia vavolombelon'ny hoe tsy avy any ivelany ireo hetsika natao hiadiana amin'ny fiovàn'ny toetrandro: avy eo anatiny sy eny ifotony izy ireny. Izano no antony andraisanay anjara amin'ny fampiroboroboana ireo vahaolana avy eny ifotony amin'ny alàlan'ny fampahafantarana azy ireny amin'ny daholobe. Manana tanjona fanabeazana hatrany ireo tatitra ataonay, mba hampahafantarana sy hanofanana ireo mpihaino anay momba ireo fanamby ara-tontolo iainana. Anatin'ny sehatra tsirairay, misy ireo fahalalàna avy eny ifotony mahasoa ny fiarahamonina, na ny fampifanarahana. Hanampy ny hafa ny fampahafantarana azy ireny. Omenay sehatra ireny fahalalàna ireny.
JS: Inona no vinanareo ho an'ny ady ho an'ny rariny ara-toetrandro ao Afrika ary inona no asa mivaingana ataonareo hahatratrarana io vina io?
HM : Tsy dia mpandoto loatra, kanefa ireo firenena mahantra no tena mifafa ny kihony amin'ny fiovàn'ny toetrandro . Tsy ananan-dry zareo ihany koa ny fitaovana sahaza ho entina miatrika sy handraisana fepetra hanoherana ireny fiantraikany ireny. Noho ny hadalan'ireo firenena hafa dia voa roa toy ny dakam-boriky ireo firenena mahantra sy ireo firenena nosy. Tokony ho ireo firenena mahantra tsy dia mpandoto loatra no mandray ny ampahany betsaka amin'ny fanomezana vola avy amin'ny entona karbôna sy izay tambiny hafa.
Tsy mitoetra fotsiny amin'ny maha-niharam-boina, fantatr'ireny firenena ireny fa ny tsirairay dia afaka mitondra vahaolana ho an'ny olana tsirairay. Tsy voatery ho ireo firenena tena mpandoto be izay tokony ho avy hametraka hetsika fitantanana ny fako plastika izay sitrapontsika no nanafarana azy. Fa amin'ny sehatra eo an-toerana, azo atao ny manomboka rafi-pitantanana raha toa ka misy ny fahavononana. Ireny hetsika madinika eny ifotony ireny, raha toa misy akony, dia afaka hitondra vokatra goavana. Raha ho an'ny vahoaka afrikàna, ny fiovàn'ny toetrandro dia mety hiteraka fanamby goavana toy ny tondradrano, hafanàna tafahoatra, ireo firenena efa mivoatra kosa afaka ny hiatrika izany. Kanefa ao Afrika, indrindra fa ny faritra ambanivohitra, mbola sarotra ny handeha hanao fizahàna, na dia ny tampoka fotsiny aza. Araka izany dia mendrika ny hotohanana ireo ezaka atao eny ifotony.
Ny adidinay dia ny mandray anjara amin'ny ezaka eny ifotony. Ifantohan'ny Green Afia Magazine ny ao amin'ny faritra Debok'i Kôngô izay faharoa lehibe indrindra amin'ny ala trôpikaly manaraka an'i Amazôna, ary araka izany dia mitàna anjara toerana tena goavana amin'ny fandrindràna ny toetrandro erantany. Na izany aza, miatrika fanamby marobe mifandraika amin'ny fiovàn'ny toetrandro izy, toy ny fikajiana ny fahamaroam-piainana. Fikajiana tomponandraikitra iray izay mandray anaty kajiny ny filan'ireo vahoaka zanatany izay miankina amin'io Reny Natiora io mba hiatrehan'izy ireo ny filàny hahatafavoaka velona azy isanandro. Io toejavatra io dia mitaky amintsika ny fanabeazana sy fanentanana ireo mpiantsehatra rehetra voasaringotra amin'ny resaka fikajiana: ny vahoaka eny ifotony satria izy no tokony ho mpiantsehatra voalohany, ireo andrim-panjakana sy ireo ONG izay indraindray ireo mpiasa ao aminy manararaotra ny tsy fahalalàn'ireo vahoaka tsy dia nandia fianarana tany an-tsekoly, lazaina fa noho ny fikajiana ny natiora. Ary indrindra, tsy maintsy ampiroboroboina ny fahalalàna nananan'ireo vahoaka zanatany hitondràna vahaolana ifotony izay mandray anjara aminà tanjona iray erantany.
JS: Inona avy ireo fahombiazana tena goavana vitanareo ?
HM : Ny fahombiazana tena goavana vitanay, voalohany indrindra dia ny tamberina avy amin'ireo mpamaky izay mijoro ho vavolombelona hoe nandray betsaka avy amin'ireo taratasinay ry zareo ary ireo izay mankasitraka ny fanamafisampeo omenay ho an'ny hetsika ataon-dry zareo ary miafara amin'ny fahitàny ny vokatra nandrandrainy. Ny fahombiazana tena goavana azonay dia ny fanoratana ireo lahatsoratra izay nahazo loka ary nankasitrahana tany anatina fifaninanana.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/03/25/173921/
|
Ny “Tourne-dos”, toerana fisakafoanana ankalamanjàna miasa ho an'ny ankamaroan'ny Afrikàna
| 2025-03-25T05:00:47
|
Unknown
|
Sarin'ny mpanjifa iray eo anoloan'ny toeram-pisakafoanana vonjimaika iray ao Congo Brazzaville ; Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube – Vox TV
Ao Afrika atsimon'i Sahara, mitàna anjara asa iray lehibe ny fisakafoanana ankalamanjàna: izy no ahafahan'ireo saranga sôsialy sahirana mba mahazo ny tolotra iray tena ilaina.
Ao amin'ilay tanibe, ny olona misakafo matetika any amin'ireo trano fisakafoanana dia ireo manana faripiainana ambony ary misolo tena ny sangany ara-toekarena. Mandritra izany fotoana izany, ny ampahany betsaka amin'ireo olona miaina ambanin'ny fetran'ny fahantràna ao Afrika atsimon'i Sahara dia latsaky ny 2,15 dôlara amerikàna isanandro no laniany.
Ho an'ireo izay fanamby isanandro ny ho tafavoaka velona, misy safidy iray hisakafoanana ivelan'ny trano, eny amin'ireo mpivarotra izay mahandro sy mivarotra sakafo mafàna eny an'arabe. Any amin'ireo firenena mampiasa sy miteny frantsay, matetika io karazana toerana fisakafoanana io no mitondra ny anarana hoe “ tourne-dos” .
Tourne-dos, safidy iray azo ihafiana ho an'ny maro
Karazana toerana fisakafoanana vonjimaika ny “Tourne-dos”, mifanaraka amin'ny toebolan'ny ankamaroan'ny vahoaka. Matetika ambany fitantanan'ny vehivavy, manolotra sakafo in-telo isanandro ireny toerana fisakafoanana ireny mandritra ny tontolo andro, amin'ny vidiny takatry ny ankamaroan'ny mponina.
Ity tatitra an-dahatsary ity, navoakan'ny Media2Africa tao amin'ny pejiny Facebook no mampiseho ny fahombiazana azon'ireny karazana toerana fisakafoanana eny akaikin'ireny toerana be mpandalo ireny, toy ny Anjerimanontolo ao Douala ao Kamerona. Mankafy sy mahita izay tadiaviny eo daholo na mpianatra na ireo mipetraka eo amin'ny manodidina:
Ao anatin'ilay lahatsary, hazavain'i Thierry, olona iray mpampiasa ny “tourne-dos”, ny fahafaham-pony:
Io no mamonjy anay. Tsy afaka mamonjy ireo trano lehibe fisakafoanana aho mba hisakafo. Aiza no hahitako vola. Any, ny sakafo vidiana 2000 FCFA (3 dôlara amerikàna) ary mety hahalany 5000 FCFA (7,9 dôlara amerikàna) mba hiainana isanandro. Ahoana no hahatafavoaka amin'izany? Eny amin'ny sampanan-dàlana tahaka izao no misakafo mba ho tafavoaka.
Mora ny sakafo any amin'ireo “tourne-dos”: manomboka amin'ny 500 na 600 FCFA (latsaky ny iray dôlara amerikàna). Ao Kamerona, toy ny any an-kafa any Centrafrique, Tchad, RDC, Gabôna, Tôgo, Ghana, Benîno, Côte d'Ivoire, malaza ireny toerana fisakafoanana vonjimaika ireny ary ahafahan'ny rehetra mihinana. Na izany aza, indraindray izany dia atao anatin'ny tsy firaharahiana ny fepetra fitandroana fahadiovana.
Misy ambana vitsivitsy ny fihinanana sakafo mora
Ireo vehivavy mpitantana “tourne-dos” dia tsy ho afaka ny hanaja mandrakariva ireo fepetra momba ny fahadiovana . Sarotra ho azy ireny ny hanana herinaratra sy vata fampangatsiahana, ny sasany eny akaikin'ny toerana maloto no mikarakara ny sakafony, ny hafa mivarotra eny akaikin'ny tatatra midanadàna tsy misarona.
Lahatsoratra iray an'ny Radio France Internationale (RFI), no manondro “ ireo toerana fisakafoanana vonjimaika ho toy ny loharanon'aretina entin'ny vanintaona maina ao Bangui, ao Centrafrique “. Pélagie, ramatoa iray tompona “tourne-dos”, nitafàna tao anatin'ilay lahatsoratra, no manazava:
Mba hanaovana io varotra io, tsy maintsy matanjaka ianao. Napetrako ito lambam-baravarana ito sy iretsy tapa-damba iretsy mba hanakonana ny kirihitra. Eto aho, mivarotra ravina mahogo, tono akoho, trondro nasaly ary gnetum . Haiko fa toerana tsy madio io, saingy izay aloha no azo atao.
Ity lahatsary avy amin'ny Afrique Santé ity no manamafy toejavatra mitovitovy amin'izany ao Kamerona:
Mirantiranty ireo sakafo, tsy misy fiarovana amin'ny lalitra na bibikely hafa manimba ary koa ny mikraoba eny amin'ny vovoka.
Ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC), Yvette Reine Nzaba, mpanao gazetin'ny A gence d'i nformation de l’ A frique c entrale (Adiac-Congo) no miampanga ao anaty lahatsoratra iray mitondra lohateny hoe : Fahadiovana : ny tsy fanaronana sakafo, loza mitatao mandrakariva ho an'ireo mpanjifa, fomba fanao mitondra ambana avobe ho an'ny fahasalaman'ireo mpanjifa. Hoy izy manoratra:
Na dia amidy eny akaikin'ireo toerana faran'izay maloto na fanariana fako aza, mahagaga fa ireny sakafo ireny dia mahasarika mpanjifa hitangorona manodidina amin'ireny toerana fivarotana ireny, izay mitangorona manodidina ireo toerana fivarotana, mankafy tsy miraharaha akory izay lalitra na bibikely hafa mifanaretsaka eo amin'ny manodidina. Tsikaritra hafa, mampiteny ny moana ireo fiara natao hitaterana sakafo, toy ny dipaina, sakafo tena fihinana be ao Kôngô.
Mivarotra ny mpivarotra, mividy izao rehetra izao ny mpanjifa, rehefa mbola mahafeno ny kibony sy mahafaka ny hetahetan-dry zareo. Zavamisy iray lasa miparitaka sy mandeha ho azy tsy misy bedy ary fantatra sy iarahan'ny rehetra mahita. Isanandro, fahagagàna raha tsy tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo ireo mpanjifa !
Manoloana ny tsikaritra mampididoza tahaka izany ho an'ny fahasalaman'olombelona, gaga i Nzaba mahita mpanjifa miaro ireny fomba fanao anaty fahalotoana ireny. Hervé, iray efa zatra ireny toerana ireny, no mamaly azy:
Matetika aho no tonga miantsena eto. Na misy lalitra aza, tsy mbola narary mihitsy aho. Na ahoana na ahoana, mahatohitra mikraoba ny taovan'ny mainty hoditra.
Saingy ireo mpanjifa sasany kosa mahatsapa ny loza mety hahazo. Toy izany no nanjo an'i Jonathan, tratry ny aretina mafy, ary nanapaka hevitra ny tsy hisakafo eny amoron-dàlana intsony. Eo amin'ny fandraisampeon'ny RFI , mijoro ho vavolombelona izy:
Herinandro maro aho no teny amin'ny hôpitaly. Saika naningotra ny aiko ny tazo tefoedra. Manainga vovoka sy mandefa setroka misy poizina ireo fiara mandalo. Na ireo lovia ampiasaina handrosoana sakafo ho an'ny mpihinana aza dia matetika no ratsy sasa. Rehefa sitrana aho, taona roa lasa izao, noraisiko ny fanapahankevitra tsy hihinana intsony eny amin'ireo toerana fisakafoanana tsy mahasalama.
Fandraisana anjara amin'ny toerakaren'ny firenena
Ny toekaren'ireo firenena afrikàna marobe dia miankina betsaka amin'ny sehatra tsy ara-dalàna , araka izany dia mitondra fandraisana anjara goavana eo anelanelan'ny 25% sy 65% amin'ny Harinkarena Faobe anatiny (PIB) ho an'ireny firenena ireny. Raha ny marina, io asa fitantanana “tourne-dos” io, izay loharanom-bola goavana ho ana fianakaviana marobe, dia mandray anjara koa amin'ny toekaren'ny firenen-dry zareo.
Mba hiarovana ny fahasalaman'ny vahoaka, tokony irotsahan'ireo manampahefana afrikàna bebe kokoa ny fanentanana ireo mpitantana sy mpanjifa eny amin'ireny toerana fisakafoanana ireny momba ny fanajàna ireo fepetram-pahadiovana.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/03/14/173867/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizarana faha-23
| 2025-03-14T04:14:18
|
Unknown
|
Mpanjifa miandry hokrakaraina eo amin'ny Tourne-dos (todi-damosina?); notselarina tao amin'ny fantsona YouTube an'i Le360 Afrique
Tsy voatery hitovy hatrany ireo karazan'endrika fiteny frantsay ifampiresahana manerana ny vazantany efatra. Amin'ny sokajy “An'ny voambolaña ny fitenenana” no anomezanay voninahitra ireo voambolana na fomba fiteny manavaka faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho tahaka izay ihany na adika ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay miampita ao anatin'ireo fiteny hafa ary tsy adika, saingy maka dika vaovao indraindray.
Ireo fizarana hafa rehetra teo aloha dia azo jerena ato: Les mots ont la parole .
Anio izahay nifidy ireto fomba fiteny telo ireto:
Mipaturaka : voambolana malagasy niainga avy amin'ny matoateny frantsay « pâturer ». Voatazona ny ampahany fanoratra frantsay (-patu-). Amin'ny teny frantsay dia fampiasa amin'ny biby ny voambolana pâturer , fa tenin-jatovo anondroana olona mitomotoe-poana, mitogaigy, mirenireny tsy misy tanjona ny ‘paturaka’ amin'ny teny malagasy.
Fandre matetika amin'ny voambolana an'araben'Antananarivo andavanandro io voambolana io, ary mampiasa azy na tanora na zokinjokiny.
Ao henoina ato amin'ity hira mitondra ny lohateny hoe « Sambofiare » avy amin'ny artista mpihira Tioramar ny voambolana “Mipaturaka” :
Tourne-dos : voambolana anondroana ireo karazan-toerana fisakafoana an-dalamben'ny tontolo an-tanandehibe sy any ambanivohitra ao amin'ny firenena afrikana maro io voambolana io. Tsy mitovy amin'ireo restaurants ao amin'ny toerana mahafinaritra sy igalabonana izy io, fa ny mampiavaka ny “Tourne-dos” dia noho izy atao ankalamanjàna. Be mpivezivezy sy tena malaza , matetika vehivavy mipetraka amin'ny fikarakarana ireo mpihinana izay lasa mipetraka miamboho arabe ny tourne-dos eo ampanandramana ny nahandro araka ny nohazavain'ity lahatsara ity :
Hita manakaiky ny orinasa, ozinina, tsena, toeram-pitsaboana, oniversite ary ireo toerana ifamezivezen'olona maro na an-tanandehibe na ambanivohitra ity karan-toerana isakafoana ity, ary matetika aminy no mihinana sakafo maraina sy atoandro ny olona manodidina. Tsy voatery hanam-bola be vao mihinana amin'ireny “Tourne-dos” ireny satria takatry ny maro ny vidin-tsakafo, ary izay no mampalaza azy ireny.
Araka ny andravahan'ity lahatsarin'ny Santé en Afrique , tsy dia voahaja loatra ny fahadiovana, fa tsy manakana ny olona zatra azy ireny ho afa-po izany.
Vendre du piment (mivaro-tsakay) : ao amin'ny tontolo kameroney, fomba fitenin-jatovo izany “vendre du piment” izany ary manondro molotra ny fivarotan-tena na fanofam-batana. Ao amin'io firenena afovoan'i Afrika io izany dia ny mpivaro-tena no antsoina hoe mivaro-tsakay.
Raha manana teny na fomba fiteny hozaraina ho hita amin'ity sokajy “Manana teny ny voambolaña” ity ianao dia mifandraisa aminay : filip.noubel@globalvoices.org na jean.dedieusovon@globalvoices.org
|
https://mg.globalvoices.org/2025/03/24/173970/
|
Taranaka iray dia mahafoana ny famoram-behivavy, hoy ny fihevitr'ity Gambiana mpikatroka ity
| 2025-03-24T03:19:43
|
Unknown
|
Fanadihadiana nataon'i Sydney Leigh Smith
Female Genital Mutilation (FGM) na famoràm-behivavy. Mitoetra ho olana goavana mandrakà ankehitriny ao Gambia ny famoram-behivavy, araka ny tatitry ny UNICEF, fa efa ho ny 76% ny vehivavy, manomboka ny 15 ka hatramin'ny 49 taona no efa nihàran'io famoràna vehivavy io. Raha hazavaina tsotsotra ny atao hoe FGM dia fanesorana mety ho amin'ny ampàhany mety ho manontolo ny ivelan'ny taovam-pananahan'ny vehivavy na fandratràna ilay taovam-pananahana tsy misy ifandraisany ara-medikaly mihitsy.
Fihetsika voararàn'ny lalàna tanteraka anefa, fa fanitsakitsahina ny zon'olombelona izany. Sady tsy ahitàna tombony na ara-pahasalamana na ara-batana na ara-tsaina fa misy fiantraikany ratsy tanteraka aza, anisan'izany ny fanaintainana mandrakariva, ny fahasarotana am-piterahana, ary ny fitomboan'ny taham-pahafatesan'ny zaza vao teraka. Zarain'ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) ho efatra karazana izany FGM izany, dia ny fanapahana tanteraka ny hodi-doha na ny kitson'ny fivaviana, ny fandidiana na fanesorana amin'ny ampahany ny ny molotra ivelany na ny molotra anaty amin'ny fivaviana.
Ao Gambia, voaràran'ny lalàna io fomba fanao iray io tamin'ny taona 2015 araka ny lalànan'ny vehivavy (fanitsiana) ka mahatonga azy io ho heloka bevava. Na izany aza, saro-toerana tanteraka ity fivoarana ity tamin'ny fandrahonan'ny mpanao lalàna vao haingana.
Tany am-piandohàn'ny taona 2024, ny antenimieram-pirenena Gambiana dia nandinika volavolan-dalàna iray hanafoanana ny fandraràna io fomba io, izay mety hahatonga an'i Gambia ho firenena voalohany hamadika izany fandraràna izany. Niteraka fanamelohana iraisampirenena sy eo an-toerana ny tolo-kevitra , izay nampitandrina fa ny fanafoanana lalàna iray dia ho fihemorana tanteraka amin'ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy.
Na izany aza anefa, mbola malemy ny fampihàrana ny lalàna, ka roa ihany ny fanenjehana hatramin'ny nandaniana ny lalàna ary ny fanamelohana voalohany dia tsy nitranga raha tsy tamin'ny taona 2023. Nohamafisin'ireo mpikatroka fa ankoatra ny fepetra araka ny lalàna, dia tsy maintsy miatrika ireo fitsipika ara-kolotsaina sy ara-piarahamonina latsa-paka izay mampiraikitra ny FGM ny manam-pahefana Gambiana, ka hifantoka kokoa amin'ny fanabeazana sy ny fampivoarana ny fiaraha-monina.
Mpikatroky ny ady amin'ny famoràm-behivavy ny Dokotera Fatou Baldeh, MBE , ary hery mpitarika ho amin'ny rariny eo amin'ny lahy sy ny vavy. Teraka tany Gambia izy ary efa natao FGM teo amin'ny faha-valo taonany, zava-niainana tena nisy fiantraikany lalina teo amin'ny fiainany izany. Tsaroan'i “Baldeh” tsara ary tsy afaka an-tsainy hatramin'izao :
I was pinned down and I was cut. We were all kept in this house after the cutting, in a dark room for maybe about two weeks until we healed. Every morning they put warm water with salt and herbs in a pan, and you were forced to sit on it.
“Tsy navela hihetsika aho sady notapahina; taorian'ny famoràna dia nohidina an-trano, tao an'efitra maizina iray izahay nandritra ny tapa-bolana teo ho eo mandra-pahasitrana. Isa-maraina ry zareo mametraka rano matimaty misy sira sy ravinkazo ao anaty vilany iray, ary tereny ianao hipetraka eo ambonin'izany.”
Nijanona tao anatiny ny fahatsiarovana io fombafomba nampahory io, ary tamin'ny farany dia nanentana azy hanova izany fanaintainany manokana izany ho iraka hampitsaharàna io fanao io.
Nitohy hatrany ny dian'i Baldeh mankany amin'ny fikatrohana. Tamin'ny faha-roapolo taonany, fony izy nianatra tany Angletera , no nahatakarany feno ny fiantraikan'ny FGM amin'ny fahasalamany ara-batana sy ara-pihetseham-po.
“As I went on, I came to realize more and more that ending FGM also required ending all forms of injustice against women and girls, she explains.”
“Rehefa nandeha aho dia nanjary tsapako bebe kokoa fa ny famaranana ny FGM dia mitaky ny fampitsaharana ny endrika tsy rariny rehetra atao amin'ny vehivavy sy ny tovovavy, hoy ny fanazavàny.”
Tsapany fa mila miatrika ny tontolo midadasika kokoa amin'ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy sy ny tsy rariny ara-drafitra izay mametra ny fahafahan'ny vehivavy sy ny zon'ny vehivavy ny ezaka hiadiana amin'ny FGM araka ny nomarihiny.
“You couldn’t end FGM if girls were subjected to early marriage. If girls continue to drop out of school because of rape, teenage pregnancies, or forced marriage.”
“Tsy afa-mamarana ny FGM ianao raha mbola tratran'ny fanambadiana aloha loatra ny tovovavy. Raha toa ihany koa ka esorina an-tsekoly noho ny fanolanana, ny fitondrana vohoka, ny fanambadiana aloha loatra ny zazavavy.”
Mihaika fenitra amin'ny alalan'ny fifampiresahana sy fifankahazoana
Tamin'ny taona 2018, nanangana ny Women in Liberation & Leadership (WILL) (na “Vehivavy ao amin'ny fanafahana sy ny fitarihana”) i Baldeh mba hiadiana amin'ny FGM sy ireo karazana herisetra hafa rehetra mifototra amin'ny mahalahy/vavy amin'ny fampiasàna fomba fiasa mifototra amin'ny fiaraha-monina. Tsy hifanandrina amin'ny olona ao anaty fitsaratsarana ny “WILL” fa hampiasa fomba fiaraha-miasa, hahalalàna ny antony hanohanan'ny vondro-piarahamonina ny FGM. Nanantitrantitra i Baldeh tamin'ny fanazavany fa tsy tokony hahatsapa hotafihana ny vondrom-piarahamonina :
“We want to talk to you, we want to understand why you continue the practice, and why you support it.”
“Te hiresaka aminareo izahay, tianay ny hahalala ny antony hanohizanareo io fomba fanao io, sy ny antony hanohananareo azy.”
Kinendrin'ny asan'ny WILL avokoa ny mpikambana rehetra ao amin'ny vondrom-piarahamonina, indrindra ny lehilahy, satria fantatra fa fehezin-dehilahy ny tokantrano Gambiana maro ary kitro ifaharana ny fandraisan'ny lehilahy anjara amin'ny fampitsaharana ny FGM.
Tafiditra amin'ny fomba fiasan'i Baldeh ny hampiroborobo ny fifanakalozan-kevitra tsy manavaka eo amin'ny taranaka mifandimby sy amin'ny mpitondra fivavahana mba hiatrehana ireo fandisoan-kevitra mampifandray ny FGM amin'ny adidy ara-kolotsaina na ara-pivavahana. Mikarakara fifanakalozan-kevitra eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka aman-jafy izy hampifandanjàna ny fanajàna kolontsaina sy ny filàna fanovàna, niteny hoe :
“I love being a Gambian, a Black Gambian woman who is proud of my culture. I’m just saying that the part of my culture that harms me and other girls, I am rejecting that.”
“Tiako ny maha-Gambiana ahy, vehivavy Gambiana mainty afa-kenatra amin'ny kolontsaiko. Milaza fotsiny aho fa misy ampahany amin'ny kolontsaiko manimba ahy sy ny ankizivavy hafa ary tsipahiko izany.”
Miara-miasa amin'ny mpitondra fivavahana ihany koa ny WILL hanoherana ny angano manodidina ny FGM sy hampiroborobo ny hafatry ny fiovàna miabo sy voazàva ao anatin'ny vondrom-piarahamonina Gambiana.
Tsy azo dinganina ny lehilahy sy ny tanora raha hamarana ny FGM
Asongadin'i Baldeh manokana ny firotsahan'ny lehilahy amin'ny asam-pikatrohany, amin'ny fampiasana ny “Ataya chats” — fivoriam-be nentim-paharazana hiresahan'ny lehilahy ny olan'ny fiarahamonina — mba hanabeazana ny lehilahy momba ny traika manimba ateraky ny FGM. Mino izy fa afa-manova ny fanapahan-kevitry ny fianakaviana hiròna ho amin'ny zon'ny vehivavy ny lehilahy miara-dia aminy, raha ny fanazavany :
“If a father steps up and says, ‘I do not want my daughter to be cut,’ there’s a high chance that that girl will not be cut.”
“Raha miroso ny ray ary miteny hoe : “tsy tapahana ny zanakovavy”, dia betsaka ny herijika tsy hahatapaka ilay zazavavy.”
Ifantohany ihany koa ny fanabeazana ny tanora, indrindra fa ny zazavavy, amin'ny zony sy ny halehiben'ny fanekena, amin'ny fankatoavana ny tsy fahampian'ny fanabeazana ara-pananahana ao Gambia.
“Girls don’t have access to comprehensive sex education. They don’t understand their bodies. When you are abused or end up in a violent relationship. how do you really talk about what is happening to you when you don’t know if that is wrong or right?”
“Tsy mahazo fanabeazana feno amin'ny fanabeazana ara-nofo ny ankizivavy. Tsy fantany ny momba ny vatany. Rehefa iharan'ny fanararaotana ianao na tafiditra ao anatin'ny fifandraisana feno herisetra, ahoana no ahafahanao miresaka momba ny zavatra mitranga aminao? Nefa tsy fantatrao akory na mety izany na tsia?”
Famahana ny fanamby ara-drafitra
Iray amin'ireo fanamby lehibe indrindra atrehin'i Baldeh ny manavatsava ireo fitsipiky ny fanjakazakan-dray lalim-paka sy ny fahazoana fanohanan'ny governemanta. Nataony avo ny feony amin'ny filàna famatsiam-bola maharitra, ary nantitranteriny :
“We need resources so that we can continue to deliver sustainable projects. We don’t like to go into a community for a one-off engagement and leave.
“Mila loharanon-karena izahay ahafahanay manohy amin'ny fanatontosana tetikasa maharitra. Tsy tianay ny miditra ao amin'ny vondrom-piarahamonina iray mifampiresaka indray mandeha dia samy misaraka.”
Mihevitra i Baldeh fa taranaka tokana dia vita ny fiovana raha beazina amin'ny fiantraikan'ny FGM ny tanora, na lahy na vavy.
“If I don’t cut my girl, there is a 99 percent chance that her daughter will not be cut.”
“Raha tsy manaiky ny hanapahana ny zanakovavy aho, dia misy 99 isanjato ny vintana tsy hahatapaka ny zananivavy.”
Miantso ny tamberin'andraikitra amin'ny governemanta izy, mitsikera ny tsy fisian'ny fampiharana ny lalàna miady amin'ny FGM ao Gambia tamin'ny taona 2015.
“The practice continues because we are not seeing the government come out publicly and address FGM. We are not seeing law enforcement. International partners need to put pressure on the government to make sure that this law is implemented.”
“Mitohy hatrany anefa ny fomba fanao satria tsy maneho ampahibemaso amin'ny famahana ny olan'ny FGM ny governemanta. Tsy mahita ny fampiharana ny lalàna izahay. Mila manery ny fitondram-panjakana ireo mpiara-miombon'antoka iraisampirenena ireo mba hahazoana antoka ny fampiharana io lalàna io.”
Manohana ny fanofanana ireo matihanina amin'ny fahasalamana koa i Baldeh mba hanome fikarakarana manokana ho an'ireo sisam-patin'ny FGM, ary nantitranteriny ny lanjan'ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo an-toerana mba hamahana ny olana ara-pahasalamana sy ara-pihetseham-po mifandraika amin'io fomba fanao io.
Fankatoavana iraisampirenena sy fanakianana ny fitsabahan'ny any ivelany
Sarin'i Fatou Baldeh, Nalain'i Fatou Baldeh. Nahazoana alalàna manokana
Nahazo laza iraisampirenena ny asan'i Baldeh ary nahazo MBE izy tamin'ny taona 2019 noho ny fikarakarany ireo vehivavy mpifindramonina any Ekôsy sy ny “ Loka Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy be herimpo ” tamin'ny taona 2024. Na izany aza tsikerainy hatrany ny fomba fiasa “mijadona” ataon'ireo fikambanana iraisampirenena maro. Mino izy fa ny fiovana maharitra dia avy ao anatin'ny vondrom-piarahamonina manana mpitarika sy vondrona eo an-toerana mahalala tsara ny fahasamihafana ara-kolontsaina. “Tsy hanana traikefa bebe kokoa noho izaho ianao ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy, ao amin'ny kolontsaiko ary ny vahoaka misy ahy” hoy izy nanantitrantitra, mandrisika ireo vondrona iraisampirenena hanome vahana ireo fikambanana ao an-toerana tarihin'ny vehivavy fa tsy hanaloka azy ireo.
Asandratry ny asan'i Baldeh ny fandraisan'ireo vehivavy any ambanivohitra anjara izay antsoiny hoe “goavana tsy hita maso”, noho ny fijoroany amin'ny fanohanana ireo tanora amin'ny ady amin'ny FGM.
“Our mothers and our grandmothers came to join us to say that we are standing by our daughters. they may not be on the media speaking, but the reality is they made a change.”
“Tonga niaraka taminay ny reninay sy ny renibenay nilaza fa mijoro eo anilan'ny zanakay vavy izahay. Mety tsy hiseho na hiteny ao amin'ny haino aman-jery izy ireo, fa ny zava-misy dia nanao izay ho afany sy izay mety izy ireo.”
Ny fankahasitrahany ireo vehivavy ireo sy ny tsi-fisasarany no mampazoto azy hamita ny iraka hanafoana ny FGM, sy hampiroborobo ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ao Gambia sy any ivelany. Amin'ny alalan'ny WILL i Baldeh no mitsinjo hoavy hanomezan-kery ny vondrom-piarahamonina hizaka tena, ho ampy hery sy fahalalàna ary manolo-tena hamarana ny FGM sy hanohana ny zon'ny vehivavy rehetra, mankatoa izany, araka ny teniny : “Taranaka iray dia ampy hampitsaharana izany”.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/03/24/173882/
|
Firaisambe Afrikàna: Voafidy ho filoha vaovao i Mahmoud Ali Youssouf
| 2025-03-24T11:13:56
|
Unknown
|
Mahmoud Ali Youssouf, filoha vaovaon'ny vaomieran'ny Firaisambe Afrikàna; Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube France 24
Nanomboka ny 16 Febroary 2025, nahazo filoha vaovao ny vaomierany ny Firaisambe Afrikàna (UA) : ilay Djibotiàna Mahmoud Ali Youssouf (izay matetika ny anarany no soratana koa tahaka izao: Mahamoud), izay ho mafy ny asa miandry azy satria misedra fihenjanana marobe sy ady maro mitam-piadiana ilay tanibe.
Ny vaomieran'ny UA no sekretera maharitra sy miantoka ny fampandehanan-draharaha isanandron'io andrim-panjakana iray ivondronana firenena 55 io, ahitàna vahoaka afrikàna mihoatra ny 1,5 lavitrisa . Heverina ho toy ny mpitondra ambony indrindra misolo tena araka ny lalàna ilay andrim-panjakàna, ilay filoham-baomiera dia fidiana hitondra hiasa mandritra ny efatra taona azo havaozina in-dray mandeha. Ny fanatontosàna ny asany dia iarahany miasa amin'ireo kaomisera hafa miandraikitra departemanta hafa.
Iza i Mahmoud Ali Youssouf ?
Nandritra ny fihaonana faha-38 ara-potoana nataon'ireo filoham-panjakàna sy lehibena governemanta, natao tao Addis-Abeba ny 15 sy 16 Febroary, voafidy i Mahmoud Ali Youssouf ho filohan'ilay vaomiera, nahazo vato 33 tamin'ireo firenena 49 mpifidy – raha tokony ho firenena 55 izay mandrafitra ilay firaisambe, satria naato ireo firenena enina: i Borkina-Fasô, Nizera, Mali, Gabôna, Guinée Conakry ary i Sodàna noho ireo fanonganam-panjakàna vao haingana nitranga tany amin'ireo firenena ireo. Djibotiàna ny zom-pireneny, i Mahmoud Ali Youssouf no filoham-baomiera misolo toerana an'ilay Tsadiàna, Moussa Faki, izay nahavita fepotoana fiasàna in-droa (2017-2025).
Ny nifaninana tamin'i Mahmoud Ali Youssouf dia i Raila Odinga , praiminisitra fahiny tao Kenya sy i Richard James Randriamandrato , minisitra fahiny nisahana ny raharaha ivelany tao Madagasikara. Mahay fiteny maro ilay filoha vaovaon'ny firaisambe ary miteny tsy miambakavaka ny telo amin'ireo fiteny enina ôfisialy ao amin'ny UA : ny frantsay, ny anglisy ary ny arabo. Diplaomaty ihany kao ny asany ary efa nanano ny asa maha -minisitra djibotiàna nisahana ny raharaha ivelany sy ny fifandraisana iraisampirenena ny 2005 hatramin'ny 2025.
Raha nanambara ny fandreseny, navoakan'i Mahmoud tao amin'ny kaontiny X fa :
La décision de nos chefs d’état africains est tombée : ils m’ont confié la charge de diriger la CUA [Commission de l'Union Africaine]. C’est une très lourde responsabilité et j’en mesure l’importance : je m’engage à œuvrer pour faire avancer l’agenda continental : merci à tous pour votre soutien constant .
— Mahmoud Ali youssouf (@ymahmoudali) February 16, 2025
Nivoaka ny fanapahankevitr'ireo filoham-panjakàntsika afrikàna: nankinin'izy ireo amiko ny fitantanana ny vaomieran'ny UA. Andraikitra tena mavesatra izany ary tsapako ny maha-zavadehibe azy: raisiko ho andraikitra ny hiasa hampandroso ny fandaharanasan'ny tanibe: isaorako ny rehetra ny fanohananareo tsy nitsahatra — Mahmoud Ali youssouf (@ymahmoudali) 16 Febroary 2025
Fanehoankevitra iraisampirenena
Olona marobe erantany manana ny maha-izy azy no naneho hevitra tamin'ny fanendrena an'i Mahmoud. Paul-Simon Handy, talem-paritra ho an'i Afrika Atsinanana ao amin'ny Ivontoerana fandalinana ny resaka fiarovana (ISS) no manazava amin'ny France24 :
Pour aller plus loin, nous avons reçu le Dr. Paul-Simon Handy, directeur régional de @issafrica pour l'Afrique de l'Est. Il a passé sa journée dans les coulisses du sommet de l’ #unionafricaine . @France24_fr @FRANCE24 pic.twitter.com/iKDlD5DMq0
— Le Journal de l'Afrique – France 24 (@JTAfrique) February 15, 2025
Mba hirosoana lavidavitra kokoa dia raisintsika ny Dr Paul-Simon Handy, talem-paritry ny @issafrica ho an'i Afrika Atsinanana. Nandany ny tontolo androny tany ambadiky ny sehatr'ilay fihaonana an-tampon'ny #unionafricaine izy. @France24_fr @FRANCE24 pic.twitter.com/iKDlD5DMq0 — Le Journal de l'Afrique – France 24 (@JTAfrique) 15 Febroary 2025
Liesl Louw-Vaudran, mpikaroka manampahaizana manokana momba ny UA ho an'ny International Crisis Group (ICG) no manazava amin'ny gazety Le Monde :
Minisitra nisahana ny raharaha ivelany izy fa tsy filoham-panjakàna teo aloha. Hatramin'ny niforonany dia saika diplaomaty hatrany no nitantana ny UA. Ny tena hery lehibe ho an'i Mahmoud Ali Youssouf dia ny fahafantarany tanteraka ilay andrim-panjakana.
Fanamby marobe tsy maintsy horesena
Ny 16 Febroary 2025, nandritra ny fianianana nataony taorian'ny fanendrena azy, neken'i Mahmoud Ali Youssouf ny maha-goavana ny iraka vaovao iantsorohany. Ny haino-vaky-jery senegaly Exclusif.net mitanisa azy tahàka izao:
« Nianiana aho ny hanompo amim-pahamendrehana an'i Afrika mandritra ny efatra taona ho avy. Iraka iray tena mitaky zavatra betsaka. »
Izay indrindra, olana marobe sy ady mitam-piadiana no mikiky ny tanibe afrikàna: ny ady ifanandrinan'ny tafika ao RDC amin'ny M23 tohanan'i Roandà any atsinanan'ilay firenena; ny fifandirana ao Sodàna izay mahavoa vahoaka sivily maro hatrany.
Lova noraisin'ilay filoha vaovaon'ny vaomieran'ny UA ihany koa ny antontan-taratasy momba ny fampiatoana ireo firenena enina, sy ny fifandonana ifanaovan'ireo mpiteny anglisy mitaky fizakantena sy ny governemanta kameroney.
Tanaty fanadihadiana iray, tsikaritry ny Exclusif.net tamin'ny nahavoafidy ilay minisitra djibotiàna ny antso hisian'ny fampivondronana sy ny hetsika ao amin'ilay tanibe:
Ny fandaniana an'i Mahmoud Ali Youssouf dia tonga rehefa nokatsahan'ny UA ny hitàna anjara toerana mavitrika amin'ny famahàna ireo olana afrikàna. Hita taratra anatin'ny hàfany ny fahavononana hanetsiketsika indray ilay andrim-panjakana sy hampiroborobo fitantànana iray fàka tàhaka….
(…) ny fiarahamiasa matanjak'ireo firenena mpikambana ary ny fanetsehana ireo loharanon-karena hanatratrarana ireo hetahetan'ilay fikambanana no tsy maintsy ianteheran'ilay filoha vaovaon'ny Vaomieran'ny UA. Fanolorantena manetriketrika ilay finianana nataony: dia ny hiaro amim-pahamarinana sy fahavononana ireo tombontsoan'ilay tanibe.
Ao amin'ilay tanibe, atrehan'ireo fikambanana isam-paritra ny olan'ny fiandrianam-pirenena : etsy andaniny ny Communauté Economique des États de l’Afrique de l’Ouest (CEDEAO) izay miatrika ny fialàn'ireo firenena lehibe telo : Borkina-Fasô, Mali ary Nizera, etsy ankilany, ny Southern African Development Community (SADC), vondrona iray hafa ao amin'ny faritra, izay atahorana hiditra hiaraka amin'i RDC amin'ny fifandonana amin'i Roandà, noho ny fanohanany an'ireo mpihoko avy amin'ny M23.
Anatina Afrika iray tandindonin'ny fisaraham-bazana tahàka izany, ahitàna fa mifofotra mafy tokoa hitazona ny dindony ry Shina, Eorôpa, Rosia sy ireo mpisehatra hafa, no tsy maintsy atrehan'ny UA ireo fanamby maro: pôlitika, fiarovana, toekarena sy teknôlôjika. Ireo rehetra ireo no manampy ireo sehatra heverina ho laharam-pahamehana sy voafaritry ny fandaharanasa 2063 ao amin'ilay andrim-panjakan'ilay tanibe: fitomboana ara-toekarena maharitra sy mampiaty, fitantanana tsara, fihavaozana.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/03/11/173908/
|
Ao Borondi, manosika ireo mpanao gazety hanivana ny tenany sy honina an-tsesitany ny tsy fisian'ny tena fahalalahana maneho hevitra
| 2025-03-11T03:05:55
|
Unknown
|
Takelaka iray manondro ny orinasan-gazety Iwacu ; pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Agence France Presse (AFP)
Ny tontolon'ny asa fanaovana gazety ao Borondi no itarafana ireo fanamby faratampony atrehan'ireo mpanao gazety ao amin'io firenena ao Afrika afovoany io. Matetika izy ireo no iharan'ny fandrahonana ho faty sy ny tsy fandriampahalemana azo ambara ho raiki-tampisaka
Ny fanomezana laharana ho an'ny taona 2024 nataon'ny Reporters sans frontières (RSF) momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra dia mametraka an'i Borondi ho amin'ny toerana faha- 108 amin'ny firenena 180 , izay maneho fisondrotana kely raha ampitahaina amin'ny toeran'ilay firenena tamin'ny 2023, nitazonan'ilay firenena ny toerana faha- 114 .
An-taratasy, ny lalàm-panorenana borondey no miantoka ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao anatin'ny Andininy faha-28 milaza hoe:
Ny olona rehetra dia manana zo haneho hevitra sy fomba fijery ao anatin'ny fanajàna ny filaminam-bahoaka sy ny lalàna. Ekena sy arovan'ny Fanjakàna ny fahalalahan'ny gazety.
Saingy hafa mihitsy ny zavamisy eny an-kianja satria miatrika fisamborana sy fiampangàna tsy miato ireo matianin'ny haino-vaky-jery. Safidy mahery vaika mazàna no atrehan'ireo borondey mpanao gazety: na miandàny amin'ny mpitondra amperin'asa, na manao vy very ny iaina hiatrika fonja sy fandehanana an-tsesitany mba haneho ny fahaleovantenany amin'ny asa fanaovana gazety.
Fanivànana haino-vaky-jery sy fanagadràna mpanao gazety
Marobe ireo tranga manamarina ny tsy fisian'ny fahalalahana maneho hevitra: tamin'ny Desambra 2024, Sandra Muhoza, mpanao gazetin'ny haino-vaky-jery an-tambajotra La Nova Burundi , dia nohelohina 21 volana an-tranomaizina noho ny “fanohintohinana ny maha-iray tsy mivaky ny faritry ny firenena sy ny fankahalàna foko”. Nahatezitra ny tontolon'ny asa fanaovana gazety sy ireo fikambanana mpiaro ny mpanao gazety ilay fanamelohana azy, toy ny Committee to Protect Journalists -CPJ (Vaomiera ho fiarovana ireo mpanao gazety). Tao amin'ny kaontiny X natokana ho fandrakofana an'i Afrika, namoaka toy izao ny CPJ:
“It is devastating that on December 16 a court in #Burundi sentenced the journalist Sandra Muhoza to 21 months in prison, in connection to posts she published in a journalists’ WhatsApp group. Muhoza has been detained since April, and her conviction is the latest example of Burundi’s abuse of the legal system to suppress critical voices. Burundian authorities should release Sandra Muhoza unconditionally and desist from criminalizing the mere act of being a journalist,” said @pressfreedom Head of Africa Program @angelaquintal
pic.twitter.com/DM0LLvQhrN
— CPJ Africa (@CPJAfrica) December 18, 2024
« Mampalahelo fa ny 16 Desambra, nohelohin'ny tribonaly iray tao #Borondi higadra 21 volana ilay ramatoa mpanao gazety, Sandra Muhoza, misy ifandraisany amin'ireo ranty nalefany tao anaty vondrona iray WhatsApp iraisan'ireo mpanao gazety. Hatramin'ny Aprily i Muhoza no voatazona ary ny fiampangàna azy no ohatra farany, hatreto, amin'ny fanararaotana ny rafi-pitsaràna ataon'i Borondi hamoretana ireo feo mpanakiana. Tokony havotsotr'ireo manampahefana ao Borondi tsy arahana fepetra i Sandra Muhoza ary atsahatra ny fanaovana ho heloka bevava ny maha-mpanao gazety tsotra fotsiny », hoy @angelaquintal mpitantana ny fandaharanasa ho an'i Afrika ao amin'ny @pressfreedom — CPJ Africa (@CPJAfrica) 18 Desambra 2024
Tamin'ny Janoary 2023, Floriane Irangabiye , ramatoa mpanao gazety, mpanentana ao amin'ny onjampeo an-tambajotra Igicaniro dia nohelohina folo taona an-tranomaizina sy handoa lamandy iray tapitrisa farantsa borondey (338 dôlara amerikàna) noho ny resaka “fanohintohinana ny filaminana anatin'ny faritry ny firenena”. Ireo tranga vitsivitsy ireo, ary koa ireo fandraràna tsy hamoaka ranty sy ireo zavamisy hafa toy ny sivana dimy taona nanjo ny tranonkala Iwacu-burundi tamin'ny 2017 hatramin'ny 2022 no porofon'io fikasan'ny manampahefàna borondey hanampim-bava ny gazety io.
Borondey iray mpanao gazety nitafàn'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny WhattsApp no tsy nitonona anarana nilaza hoe:
Marobe ireo mpanao gazety ary hatramin'ny haino-vaky-jery no manivana ny tenany na misafidy ny tsy hiasa intsony amina lohahevitra mety hahasorena ireo manampahefana ao amin'ny firenena, toy ny : kolikoly, ny pôlitika ary na ny fitantànana aza. Satria mihatra amin'ny ain'izy ireo. Ireo izay manandrana na misisika ny hamoaka ireny lohahevitra ireny, dia miteny tsy mitonona anarana.
Ao amin'io firenena ahitàna vahoaka mihoatra ny 14 tapitrisa io , tao anatin'ny tatitra 2024 nataony, Freedom in the world (Ny fahalalahana eto amin'izao tontolo izao), dia nohamafisin'ilay fikambanana iraisampirenena Freedom House ny tsy fisian'ny tena fahaleovantenan'ny haino-vaky-jery ary ao anatin'izany ilay firenena dia nomeny ny naoty 14 amin'ny 100, ny naoty ambany indrindra azon'ilay firenena raha gazety no resahana.
Haino-vaky-jery miasa ho an'ny fitondràna amperin'asa
Ny rafitra pôlitika ao amin'ilay firenena dia anjakan'ireo antoko izay, vantany vao tonga eo amin'ny fitondràna, dia lasa mankahala ny fanakianana ankarihary ataon'ireo haino-vaky-jery momba ny fandaharanasan-dry zareo sy ny hetsika ataony. Araka izany, ny Conseil National pour la Défense de la Démocratie-Forces de Défense de la Démocratie (CNDD-FDD), antoko pôlitika an'ny filoha amperinasa, Évariste Ndayishimiye , eo amin'ny fitondràna hatramin'ny Jona 2020, dia mitantana ny firenena amin'ny tàna-maheriny. Hatramin'ny vanim-potoanan'ilay filoha teo aloha, Pierre Nkurunziza (2005-2020), niatrika fandrahonana sy famoretana ireo mpitsikera ny fitondrana ary iharan'ny herisetra.
Raha nosamborina sy nogadraina ireo matianina avy amin'ny haino-vaky-jery tena mpitsikera ny fitondrana amperinasa, na voatery nandositra ny firenena, ny hafa kosa nanaiky ny hihira fiderana ny fitondrana amperinasa. Ny mpanao gazety izay voatanisa ery ambony ihany no manamafy fa:
Lasa mpitantara angano mitety vohitra ho an'ny Fanjakana ireo Borondey mpanao gazety. Tsy manao afa-tsy ny milaza zavatra tsara momba ny fitondrana amperinasa ry zareo. Ny famokaran-dry zareo lahatsoratra dia mitovy be amin'ny famokarana ataon'ny sampana fampitam-baovaon'ny fitondràna. Mampalahelo hoe tonga amin'izany isika, satria nisafidy ny hanao izay mahafalifaly ry zareo fa tsy ny hilaza ny zavamisy.
Ny FOrum pour la COnscience et le DEveloppement (FOCODE), fikambanana borondey iray mpiaro ny zon'olombelona, dia miampanga ny fahavitrihan'ny Ombudsman ( solotenam-bahoaka) ao Borondi, izay tsy iza fa i Aimée Laurentine Kanyana manoloana ireo mpanao gazety. Tanaty ranty iray tao amin'ny kaontiny X , FOCODE nanoratra hoe:
#Burundi #LiberteDeLaPresse #EspaceCivique
Ombudsman du Burundi : Quand la vérité dérange le pouvoir #FocodeMagazine | 20 Février 2025
L’Ombudsman du Burundi, Aimée Laurentine Kanyana, a récemment jeté l’opprobre sur les journalistes du pays, leur reprochant de ternir l’image du Burundi en relayant des informations jugées trop négatives. Son message ? Les médias devraient plutôt chanter les louanges des « réussites » nationales et éviter de « décrédibiliser » le pays. En somme, un appel déguisé à une presse de complaisance, fidèle porte-voix du gouvernement. Mais depuis quand le rôle du journalisme est-il d’embellir la réalité au lieu de la révéler ? Derrière ce discours faussement patriotique se cache une vérité bien plus inquiétante : le pouvoir a peur de la lumière.
pic.twitter.com/NOUn8ZOrcz
— FOCODE (@FOCODE_) February 20, 2025
#Borondi #FahalalahanNyAsaFanaovanaGazety #HabakaHoAnDaholobe
Solontenam-bahoaka ao Borondi: Rehefa manelingelina ny fitondrana ny filazana ny marina #FocodeMagazine | 20 Febroary 2025
Tsy ela akory izay ny solontenam-bahoaka ao Borondi, Aimée Laurentine Kanyana, no nanàla baraka ireo mpanao gazety ao amin'ny firenena, nanome tsiny azy ireo ho manaratsy ny sarin'i Borondi amin'ny alàlan'ny fampitàna vaovao heverin-dry zareo ho diso miiba loatra. Ny hàfany ve ? Ny tokony hataon'ireo haino-vaky-jery dia ny mihirahira ny fiderana ireo “fahombiazana” vitan'ny firenena ary manao izay “tsy hanaratsiana” ny firenena. Raha fehezina dia antso iray ankolaka hisiana gazety mpanaraka ambokony, mpitondra teny mahatoky ho an'ny governemanta. Fa nanomboka oviana ny anjara asan'ny mpanao gazety no hanatsaratsara ny zavamisy fa tsy ny hamboraka izany ? Ao ambadik'io kabary misarintsarina fitiavan-tanindrazana io no miafina ny fahamarinana iray tena mampanahy kokoa : matahotra hazavana ny fitondràna.
pic.twitter.com/NOUn8ZOrcz
— FOCODE (@FOCODE_) 20 Febroary 2025
Raha nifandraisan'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny Whatsapp, Aimée Laurentine Kanyana nihevitra hoe tsy takatry ny fikambanana FOCODE ny tiany hambara:
Tsy takatr'izy ireo ny hafatro: raha ny tena izy dia ny hisarika ny sain'ireo haino-vaky-jery ho amin'ny zavamisy aho, hoe tena zavadehibe ny fifandanjan'ny vaovao mba hiantohana fa vaovao feno, tsy mitanila ary marolafy no voarain'ny olompirenena, izay tena zavadehibe ao anatina tontolo demaokratika.
Aimée Laurentine Kanyana manaiky ihany koa ny lanja lehiben'ireo haino-vaky-jery ao anatin'ny dingana demaokratika ao Borondi. Hamafisiny fa:
Tena ilaina ny fandraisana anjaran'ireo haino-vaky-jery ao anatin'ny dingana demaokratika ao Borondi, satria antoky ny fahazoana vaovao sy fanabeazana olom-pirenena izy ireny, antoky ny fisitrahana zo fototra, ny fahasamihafàn'ny feo sy ny fomba fijery ary ny fampandraisana andraikitra ny rehetra.
Anatin'ny toeejavatra tahàka izany, voatery miasa an-tsesitany ny sasany amin'ireo haino-vaky-jery borondey. Izany no manjo ny orinasan-gazety an-tsoratra Le Mandat , sy ny Radio Publique Africaine (RPA), ny Radio Haguruka, ny Radio Inzamba ary ny fantsona Télé Renaissance .
Araka ny tatitra 2023 avy amin'ny Amnesty international , mbola manahirana ny toedraharaha iainan'ireo mpanao gazety, ary ny governemanta amperinasa toa tsy vonona ny hanatsara amin'ny fomba mavitrika ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra ao Borondi.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/02/22/173737/
|
Fanesoran'ny Meta ny fanamarinana zavamisy: ny fiantraikan'izay amin'ny tanibe afrikàna
| 2025-02-22T05:00:33
|
Unknown
|
Pikantsary avy amin'ny lahatsary “Foibe manofana ireo mpanao gazetin'ny NAN momba ny fanamarinana zavamisy, sy ny fanamarinana ara-kajimirindra”, fantsona YouTube-n'ny News Agency of Nigeria . Fampiasàna ara-drariny.
Hisy fiantraikany lehibe amin'ny asan'ireo matianina mirotsaka miady amin'ny fanalàm-baràka sy ny vaovao diso ny fanesorana ny fanamarinana zavamisy ao amin'ny Meta, ilay sehatra tompon'ny media sôsialy Facebook, sy Instagram.
Tamin'ny 7 Janoary 2025 , naaton'i Mark Zuckerberg, mpanorina ny vondrona Meta , ivondronan'ny Facebook, Instagram ary Whatsapp, ny fandaharanasa fanamarinana zavamisy . Io dia vely kanonta natao an'ireo taona marobe niadiana tamin'ny vaovao diso, indrindra fa tao Afrika izay nisy ireo fikambanana toy ny Africa Check nanara-maso ny zavamaisy.
Nanazava ny fiantraikan'io fanapahankevitra io tao anaty tafa niarahana tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny Whatsapp, i Ass Momar Lo , senegaly mpikaroka ao amin'ny Africa Check .
Jean Sovon (JS) : Nofoanan'ny Meta tsy ho ao amin'ny sehatra misy azy ny fanamarinana zavamisy. Inona avy no fiantraikan'io fanapahankevitra io amin'ny tanibe afrikàna?
Ass Momar Lo (AML) : Nesorin'ny Meta ny fanamarinana zavamisy amin'ny sehatra misy azy ao Etazonia, izay tsy maintsy hisy fiantraikany. Satria nifanaraka tamin'ireo fikambanana isankarazany iraisampirenena mpanaramaso ny zavamisy ny Meta mba hiadiana amin'ny vaovao diso, dia inoako fa misy ny ambana mivantana amin'ny hiverenan'ny vaovao diso hipoitra ho hita ao amin'io sehatra io.
Manomboka ny Martsa 2025 no hanankery ilay fanapahankevitra hampitsahatra ny fanamarinana zavamisy ao amin'ny Meta. Na nanambara azy izy hoe hosoloina rafitra iray, naotin'ny vondrompiarahamonina, ilay fanamarinana zavamisy, dia mbola tsy mazava tsara izany. Tsy mbola fantatsika loatra ny fomba hisafidianana ireo naotin'ny vondrompiarahamonina, mifototra amin'ny inona, hatraiza ny maha-mitombina ireo valinteny atolotra. Ny mazava aloha dia ho marobe ireo vaovao sandoka hipoitra.
JS: Inona avy ireo kazarana vaovao sandoka mety hisy fiantraikany amin'ilay tanibe?
AML : Sarotra ny hilaza amim-pahatokiana ny karazana vaovao sandoka mety hisy fiantraikany bebe kokoa. Na izany aza, miainga avy amin'ny traikefanay ao amin'ny Africa Check , izay vaovao sandoka miresaka filaminana sôsialy no tena misy fiantraikany goavana. Ohatra omeko ny iray vao haingana tao Senegal, tamin'ny Jolay 2024. Nisy vaovao sandoka nozaraina izay nilaza fa hanome trano fonenana maimaimpoana ho an'ny vahoaka marefo ny filohan'ny Repoblika, indrindra fa ireo sahirana mitady trano. Io fanambaràna diso io dia nanosika ny olona handeha hibodo tsy ara-dalàna ireo trano tsy nisy nipetraka, izay vao avy naorin'ny orinasa iray tsy miankina.
Tamin'ny 2021, lahatsary iray niparitaka tao amin'ny tambajotra sôsialy no nampiseho teratany ivoariàna nampijaliana tao Nizera. Indrisy anefa fa dia ninoan'ny olona sasany tao Abidjan any Côte d'Ivoire io vaovao sandoka io ary taorian'izay dia nirohotra nanafika ireo teratany avy any Nizera tany amin'ireny tanàna ireny ry zareo, niteraka fahafatesan'olona iray .
Miainga amin'ireo ohatra roa ireo, azoko ambara aminao fa ireo vaovao sandoka mikitika ny olana sôsialy sy ny resaka foko sy firazanana (indraindray) dia lohahevitra tena saropady ary mety hisy fiantraikany goavana.
Saripikan'i Ass Momar Lo, nahazoana alàlana
JS: Miova arakaraky ny fiteny ao amin'ny tanibe ve ny fiasan'ireo vaovao sandoka?
JS: Mba mahavita manaitra ny governemantany momba ireny olana ireny ary manolotra vahaolana mifandraika amin'ny zavamisy afrikàna ve ny fiarahamonim-pirenena afrikàna?
AML : Raha araka izay hitako, mba hanosehana ireo manampahefana handray amin'ny fomba matotra ny olan'ny fanelezana vaovao sandoka dia manao hetsika sy tetikasa isankarazany ny fiarahamonim-pirenena afrikàna. Ohatra, ao Sénégal, azo tanisaina ny Sénégal Vote , mpikatroka tena mavitrika mandritra ny fotoam-pifidianana mba hiadiana amin'ny fanelezana vaovao sandoka. Ao Kamerona, misy ny Defy Hate Now. Saingy raha tsy misy ny tena fahavononana tanteraka ara-pôlitika, sarotra hahita vokatra ireny fanaovana adisisika ataon'ny fiarahamonim-pirenena ireny. Tena ilaina tokoa ny fahavononana, ny fanohanan'ireo mpanao pôlitika mba ho tena hisy fiantrakany tokoa ireny hetsika ataon'ny fiarahamonim-pirenena ireny.
JS: Misy ve fomba hafa hisorohana ny fiparitahan'ireny vaovao sandoka ireny ao amin'io tanibe io?
AML : Ny fanentanana sy ny fampianarana bebe kokoa momba ny haino aman-jery sy ny vaovao no safidy goavana amin'ny fanamarinana zavamisy. Ireo mpanao gazety mpanamarina vaovao dia nahatakatra fa raha ny fanamarinana zavamisy fotsiny tsy afaka velively hamaha ny olan'ny vaovao sandoka. Toy ny hoe ezahanao ny hifehy ranomasina eo am-pelatànanao. Izany no antony mahatonga anay, mpanamarina zavamisy ao anivon'ny Africa Check, manazava amin'ireo mpamaky anay ny fomba fanamarinanay tsikelikely ireo vaovao diso. Ny tanjona anaty fotoana maharitra dia ny hanomezana fitaovana ny olona mba hampahaleo tena azy ka handeha ho azy ny fisorohany tsy ho latsaka anaty fandriky ny fandisoana vaovao, na tsy eo aza ny Africa Check. Tanjonay ny hahafahan'ireo mpamaky manavaka, izy tenany ihany, ary amin'ny fomba tsy miankina, ny zavamisy sy ny tantara foronina.
JS: Manoloana ny vaovao sandoka, aiza ho aiza ny resaka fahalalahana maneho hevitra?
AML : Voaràran'ny lalàna mifehy ny fahalalahana maneho hevitra ny fanelezana vaovao tsy marina. Misy ireo olona mandany ny androny amin'ny fandrafetana vaovao sandoka, na hanimbàna olona, na hamitahana, na ho fanohanana anton-javatra iray. Ara-dalàna ny fandraràn'ny lalàna izany fomba fanao izany.
Marobe ireo firenena nametraka lalàna fehizoro mametra ny fahalalahana maneho hevitra, indrindra fa ny eny anaty gazety, tsy voatery hiadiana amin'ny fandisoana vaovao, fa indrindra mba hampanginana ireo feo mpanakiana, indrindra fa ireo mpanao gazety na mpikatroka manohitra ny fitondràna.
Nefa tsy nahy ny olona iray dia afaka manely vaovao diso. Mitranga indrindra izany eny amin'ireo mpanao gazety, fa efa hita koa, mba hampanginana ireo feo mpanakiana, ny fisian'ny fanaovan'ireo manam-pahefàna ara-pôlitika ho fitaovana ireny lalàna ireny, izay heverina hifehy ny fandisoana vaovao.
Ny fehin'ny tatitra 2022 tamin'ny “ Meeting the challenges of information disorder in the global information ” (Miatrika ireo fanambin'ny fikorontan'ny fampahalalam-baovao any amin'ny ilabolantany atsimo) navoakan'ny Centre de Recherches pour le Développement International (CRDI) dia manao hoe :
State-led efforts to ameliorate the spread of “fake news” in sub-Saharan Africa have led to the introduction of laws that have done more to repress freedom than to lessen mis- and disinformation. In fact, such actions have further contributed to information disorder, as they are often justified by claims that are themselves forms of mis- or disinformation.
Ireo ezaka nataon'ny fanjakàna mba hiadiana amin'ny fielezan'ny « vaovao diso » ao Afrika atsimon'i Sahara dia nitondra ho amin'ny fampidirana lalàna izay vao mainka nandray anjara bebe kokoa tamin'ny faneriterena ny fahalalahana fa tsy ny fampihenana ny fandisoana vaovao sy ny fanalàm-baràka. Raha ny marina, ny fihetsika tahaka izany dia nanampy bebe kokoa ny fikorontanan'ny fampahalalam-baovao, satria mazàna dia ny honohono, izay efa endriky ny fandisoana vaovao sy ny fanalàm-baràka rahateo, no entina manamarina azy ireny.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/03/09/173805/
|
Ny fanasongadinana ny frantsay sy anglisy no manafaingana ny fitontongan'ny fitenin'ny tompontany ao Benîno
| 2025-03-09T08:00:41
|
Unknown
|
Sekoly Akaninjaza “Les Joyeuses Coccinelles” mampianatra amina fiteny roa ao Cotonou, Benîno. Hatrany amin'ny fahazazàna, ary mba hahitan'izy ireny hirika bebe kokoa dia antenain'ny ray aman-dreny ny hianaran'ireo zanany ny fiteny anglisy miaraka amin'ny fiteny frantsay rehefa any an-tsekoly. Saripika avy amin'i Diane SEGBO, fampiasàna nahazoana alàlana.
Ny Fongbe (Fon) no fiteny teratany be mpiteny indrindra any atsimon'i Benîno, isan'izany ireo tanàna lehibe ao Cotonou, Porto Novo ary Ouidah. Saingy mihavery tsikelikely ny toerana maha-tenindreny io fiteny teratany io manoloana ny fampianarana ireo fiteny vahiny.
Amin'ny maha-renim-pianakaviana sy teratany mpiteny Fon azy, nanapaka hevitra i Arielle Codjia ny tsy hampianatra an-janany ny tenindreniny. Naleon'i Codjia nisafidy ny hanalehibe ireo zanany vavy telo amin'ny fitenenana frantsay ao an-trano sy mandefa azy ireo amina sekoly iray mampiasa fiteny roa, Frantsay-Anglisy, ao Cotonou, Benîno misy ny fonenan-dry zareo. Hoy izy:
Nous parlons le français à la maison parce que c’est plus facile et rapide, le français offre plus d'opportunités de communiquer avec tout le monde au Bénin, mais si on comprend l’anglais en plus ça permet de voyager et d'étudier d’ailleurs.
Miteny frantsay izahay ao an-trano satria mora sy haingana no sady manome hirika maro kokoa hifandraisana amin'ny olona rehetra ao Benîno, raha mahazo ny fiteny anglisy moa ianao ankoatra izay, dia ahafahanao mivezivezy sy mianatra any an-kafa mihitsy izany.
Hatry ny ela, ny Fon sy ireo fiteny hafa afrikàna dia nifampiresahana teny anaty fiarahamonina sy tany an-tokantrano tao Benîno, raha ny teny frantsay ranoray kosa no nentina nampianatra tany an-tsekoly. Na mbola izany aza no tranga matetika hita, marobe ny fianakaviana amin'izao fotoana izao no misafidy ny hifandray amin'ny alàlan'ny fiteny frantsay ao an-tokantrano, misafidy ny tsy hampianatra an-janany ireo fiteniny ao an-toerana. Ho an'ny andian-taranaka tanora ankehitriny ao Cotonou, mahazatra ny fanànana fahaizana ny fiteny Fon amina haavo ambanimbany ka hatramin'ny antonony.
Hatramin'ny fanjanahantany nataon'i Frantsa tany amin'ny faramparan'ny taonjato faha-19, ny frantsay no hany fiteny ôfisialy ao Benîno. Fony vanimpotoana fanjanahantany, fitenin'ireo sangany nahita fianarana no nanehoana ny fiteny frantsay, nanao ho an-jorom-bala ireo vahoaka tsy afaka nanana fahafahana hahazo fanabeazana tamin'ny fiteny frantsay.
Na amin'izao fotoana izao aza, ireo izay miteny frantsay ao an-tokantrano dia mazàna no avy amina fianakaviana nandia fianarana, hoy i Lanzi Atamao, izay miasa ao amin'ny Benin Excellence, trano fivarotamboky amin'ny fiteny maro ao Cotonou.
“Ho hitanao fa ny ankamaroan'ireo olona nahita fianarana ambony dia hanana diplaoma avy amin'ny anjerimanontolo daholo, ary rehefa miteraka izy ireny, amin'ny ankamaroany dia ny fiteny frantsay no ao an-tokantrano,” hoy i Atamao.
Antony sy fiantraikan'ny fahapotehan'ny ny fiteny teratany
Ny fitomboan'ny fampiasana ny frantsay — ary tato ho ato, ny anglisy — dia mandray anjara amin'ny fitontongan'ireo fiteny teratany.
Ernest Sesselede, Anglisy, talen'ny sekoly Les Joyeuses Coccinelles, mampiasa fiteny roa -frantsay sy anglisy- ao Cotonou, nilaza fa amin'izao androntsika izao, ny tsirairay dia maniry ny hanombohan'ny zanak'izy ireo hianatra ny fiteny anglisy. “Ny anglisy no fiteny fototra mampiray ny isam-batanolona any rehetra any. Izany no antony iezahan-dry zareo mianatra any amina sekoly anglisy mampiasa fiteny roa.”
Fanadihadiana iray natao teny anivon'ireo mpianatra tamina faritra 12 tao Benîno no nampivoitra fa 78 % amin'izy ireo no nihevitra ny fiteny anglisy ho fitaovana iray goavana hanatsaràna ny vokatr'izy ireo any am-pianarana. Ireo nitafàna dia nihevitra ny fianarana fiteny anglisy ho toy ny varavarana iray misokatra mankany amin'ireo hirika erantany sy tondro iray amin'ireo fahombiazana akademika rehetra.
Tamin'ny 2013, ny governemanta tao Benîno dia nanandrana nampiditra fampianarana ny fiteny teratany tany an-tsekoly ho toy ny andrana ihany aloha .
Na izany aza, ny habetsahana tafahoatran'ireo fiteny ifampiresahana manerana an'i Benîno dia nametraka fanamby goavana ho an'ireo hetsika ho fiarovana ireny fiteny ireny. Ao Cotonou, ny Fongbe (Fon) no fiteny tena be mpiteny indrindra. Kanefa, olona marobe avy amin'ny lafivalon'ny firenena izay nifindra nankamin'ny tanandehibe no miteny ny fitenin-dry zareo teratany ihany fa tsy manana fahalalàna momba ny Fon.
Ny fampiasàna ny frantsay ho toy ny teny mahazatra amin'ny fampianarana dia nahafahana nanana fifandraisana teo amin'ireo olona nanana fiaviana samihafa ara-pitenenana. Izany dia nahafahana nisoroka ireo olan'ny fanambonian-tenan'ny foko na faritra, satria tsy omena vahana any an-tsekoly ny fiteny iray teratany raha mihoatra amin'ny iray hafa.
Marobe ireo firenena afrikàna hafa no miatrika adisanina mitovy amin'izany: miasa ao anatin'ny fitenin'ny mpanjanaka azy taloha mba hisian'ny fampiatiana nasiônaly na isam-paritra, na mirotsaka tanterana mampiasa ny fiteny teratany mba hifandraisana bebe kokoa amin'ny maripamantarana ara-kolontsain'ny Afrikàna.
Nambaran'i Sesselede fa nahiany ny momba ny ho fahaveloman'ireo fiteny teratany ao Bénin. “Raha tsy miteny amin'ny fitenintsika avy eo an-toerana isika, midika izany fa an-dalam-panjavonana ny kolontsaintsika, an-dalam-panjavonana isika.”
Miatrika ny fahaverezan'ny fiteny teratany ny Afrikàna
Miady amin'ny loza mananontanona ny fiteny teratany any aminy ireo vahoaka afrikàna manerana ny tanibe. I Afrika dia ahitàna fiteny miisa 2.000 amin'ireo 6.000 misy manerana izao tontolo izao . Na izany aza, marobe amin'ireny fiteny ireny no tandindonin-doza mitady hanjavona noho ny tsy fahafahana mahazo fanabeazana amin'ny fiteny teratany.
Nandray an-tanana ny fametrahana fepetra hiarovana ny fiteny ireo firenena afrikàna sasany. Marobe ireo firenena, toa an'i Roandà, Madagasikara, Sômalia ary Zimbaboe, nametraka amin'ny fomba ôfisialy ny fiteny teratany ho amin'ny sehatra nasiônaly. Ny sasany nanolo ny fiteny frantsay sy anglisy amin'ny maha-fiteny ôfisialy azy, raha ny hafa indray nanampy ireo fiteny teratany ho amin'ny sehatra ôfisialy ary ankehitriny manana fiteny nasiônaly marobe.
Ny African Language Digital Activism dia kaonty X tantaninà Afrikàna mitolona ho fiarovana ireo fiteny afrikàna. Amin'ny alàlan'ireo sehatra an-tambajotra sy ny teknôlôjia, kendreny ny hanome aina vao ireo fiteny teratany.
Mahuton Bienvenu Possoupe , mpikatroka ho an'ny fiteny, dia nankalazain'ny African Language Digital Activism noho ny nanombohany ny Wikipedia ho an'ny fiteny Fon.
Mahuton Bienvenu Possoupe @b_mahuton https://t.co/YuUVhRxcJN is a founding member of Beninese Wikimedians User Group @wikimediensBJ and in 2018 during a Wikimedia Hackathon in Barcelona, he started a Wikipedia in #Fon https://t.co/E6hGJnpFkW #Benin #FIFAfrica20 pic.twitter.com/4ViM8P5Zos
— African Language Digital Activism (@DigiAfricanLang) September 29, 2020
Mahuton Bienvenu Possoupe @b_mahuton https://t.co/YuUVhRxcJN dia mpikambana mpanorina ny vondrona Beninoà mpampiasa Wikimedia, @wikimediensBJ, ary tamin'ny 2018, nandritra ny Wikimedia Hackathon tao Barcelona, natombony ny Wikipedia iray ho an'ny fiteny #Fon https://t.co/E6hGJnpFkW #Benin #FIFAfrica20 pic.twitter.com/4ViM8P5Zos
— African Language Digital Activism (@DigiAfricanLang) 29 Septambra 2020
Ny fanoratana ny rakibolana sy ny famadihana ho nomerika ireo fiteny afrikàna no lohalaharana ho an'ireo ezaka ho fiarovana ny fiteny ao amin'ilay tanibe. Tena zava-dehibe ho an'ny fahaveloman'izy ireny ireo santatr'andraikitra nafantoka amin'ny fitahirizana ireo fiteny, an-tsoratra sy an-tambajotra.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/02/19/173688/
|
Ao Tôgô, hisy fiantraikany ratsy amin'ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka sy ny fanabeazana ny fampitsaharana ny fanampian-dry zareo amerikàna
| 2025-02-19T05:00:45
|
Unknown
|
An-tsary, boaty misy soratra USAID ; pikantsarin'ny fantsona YouTube-n'ny RFI
Marobe ireo firenena tatsimo misitraka fanampiana ho an'ny fampandrosoana avy any Etazonia amin'ny alàlan'ny masoivoho USAID. Ny fanagiazana tampoka ireo volan'io masoivoho governemantaly io dia mety ho hisatra amin'ny fampandrosoana ireo fandaharanasa maro ao Afrika.
Isan-taona, manome hatramin'ny 40 lavitrisa dôlara amerikana ireo fanampiana ataon'i Etazonia amin'ny fampandrosoana iraisampirenena sy amin'ny sehatry ny maha-olona any amin'ny ilabolan-tany atsimo. Ao Afrika, Tôgô dia isan'ireo firenena izay andraisan'io fanampiana io toerana lehibe anatin'ny fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina amin'ny sehatra marobe: fanabeazana, fahasalamana, fiarovana, fitantanana. Araka ny tatitra 2024 momba ny fampandrosoana ny maha-olona, avy amin'ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fampandrosoana (PNUD), nahavita dingana tamin'io sehatra io i Tôgô, niainga tamin'ny 0,539 teo anelanelan'ny 2021-2022 ka lasa 0,547 teo anelanelan'ny 2023-2024. Lazain'ilay tatitra fa :
…nahavita fivoarana maro i Tôgô raha jerena amin'ireo tatitra tany aloha. Dimy taona nisesy izao, voasokajy ho laharana voalohany ao anatin'ny faritra UEMOA [ Union Économique et Monétaire Ouest Africaine ] ary tamin'ity taona ity dia laharaha faha-4 teo anivon'ny CEDEAO [ Communauté économique des États de l'Afrique de l'Ouest ] aorian'i Cap-Vert, Ghana ary i Nizerià.
Vely kanonta mahazo ny fanohanana ny fanabeazana
Manao izay tratry ny heriny ireo manampahefana ao Tôgô handrisihana ny fanabeazana ho an'ny rehetra : any amin'ny sekoly fanabeazana fototra, 94,6 % ny tahan'ny fidirana an-tsekoly tamin'ny fiandohan'ny taona 2024. Kanefa mbola misy ireo fanamby atrehana amin'ny resaka fanohanana ireo ankizy miaina anaty faharefoana: napetraka ireo fandaharanasa fampisakafoanana an-tsekoly ny ankizy mba hisorohana ny fandaozana sekoly ho an'ireo zanaky ny fianakaviana sahirana.
Araka izany, avy amin'ny fanampiana amerikàna nomen'ny USAID no nananganana ny fandaharanasa McGovern-Dole izay sitrahan'i Tôgô. Tao anaty ranty iray, taorian'ny nanambaràna ilay fampiatoana, ilay tranonkalam-baovao tôgôley 27avril nilaza hoe:
Fandaharanasa iray izy io, nitentina 33 tapitrisa dôlara amerikana tamin'ny 2023. Ny Catholic Relief Services (CRS) no nanao azy ary tokony hahafahan'ireo tôgôley mpianatra an'arivony maro hanana anjara sakafo isanandro, izay hahafahana mitazona azy ireo any an-tsekoly. Nohalavaina dimy taona ilay fandaharanasa.
Ankoatra izay, soritan'ny 27avril fa efa niomànana ny fampiharana fandaharanasa vaovao iray mitentina 29 tapitrisa dôlara amerikàna. Manoratra izy hoe:
29 tapitrisa dôlara hafa no nandrasana hanaovana fandaharanasa vaovao iray antsoina hoe « Sakafo ho an'ny Fandrosoana ». Izany dia ho toy ny endrika fanomezana vokatra avy amin'ny fambolen'ny amerikàna ho an'ireo firenena an-dalam-pandrosoana sy ireo demôkrasia vao mipongatra miroso amin'ny fampidirana na fampiroboroboana ny fandraharahàna malalaka amin'ny sehatry ny toekarena ara-pambolen-dry zareo. Miandry io vola io ihany koa i Tôgô.
Mitontongana ny fivoarana ara-pahasalamana
Mahita fandrosoana azo tsapain-tànana i Tôgô eo amin'ny sehatry ny fahasalamana, amin'ny ampahany dia noho ny fanampian'ireo mpiara-mitàn-tsoroka aminy sy ireo mpanampy avy any ivelany, isan'ireny i Etazonia. Ity farany, amin'ny alàlan'ny USAID dia nirotsaka ho amin'ny fampihenàna ny tazomoka sy ny ady amin'ny VIH/SIDA amin'ny alàlan'ilay hetsikany President’s Emergency Plan for AIDS Relief (PEPFAR) omena ireo firenena afrikàna marobe toa an'i Tôgô.
Momba io lohahevitra io, toy izao no navoakan'ny tranonkala Togo First :
Tao Tôgô, tamin'ny 2023 dia namoaka vola 9,2 tapitrisa dôlara amerikàna ny PEPFAR ary 6,2 tapitrsa tamin'ny 2024, hamatsiana vola ny fahazoana ireo vaksiny antirétroviraux ho ana marary mihoatra ny 300 000, ny fanohizana ireo tolotra momba ny fitsaboana VIH ho an'olona 46 000 nandritra ny valanaretina COVID-19, ny fanentanana fitsirihana sy fampivoarana ireo fotodrafitsara fikarakaràna. Tamin'ny 2023, ny Hetsiky ny Filohan'i Etazonia (PMI) hiadiana amin'ny Tazomoka dia nanambara ny famatsiambola voalohany nataony ho an'i Tôgô, fampiasambola mihoatra ny 12 tapitrisa dôlara ho an'ny taona voalohany nihodinan'ilay fandaharanasa.
Ny fampiatoana ireo famatsiambola dia ambana mivantana amin'ny fahazoana fikarakaràna ho ana marary an'aliny maro, no sady mety hitarika ho amin'ny firongatry ny valanaretina.
Mazava ho azy fa ny fampiatoana ireny famatsiambola ireny dia mety hanohintohina ireo 20 taona nisian'ny fivoarana tamin'ny ady atao amin'ny VIH/SIDA ao Tôgô.
Fanamafisana ny fiarovana, lokanady goavana
Ankoatry ny fanabeazana sy fahasalamana, miditra amin'ny sehatry ny ara-tafika ihany koa i Etazonia ao Tôgô.
Manoloana ny fandrosoan'ny fitsofohan'ireo jihadista sy ireo mpanao an-tendro mahery setra, nohamafisin'i Etazonia ny fiarahamiasany ara-tafika amin'i Tôgô tamin'ny 2023 mba hanilihana ny tsy fandriampahalemana, indrindra fa any avaratry ny firenena ao amin'ny sisintany iraisany amin'i Borkina sy Bénin, toerana hanjakan'ireo vondrona mitam-piadiana sy ireo mpampihorohoro .
Tamin'ny 2023, nanokànan'i Etazonia 591 000 dôlara amerikàna ny fiarahamiasany ara-tafika amin'i Tôgô. Hita taratra io fanohanana io, indrindra fa anatin'ny fanofanana ny tafika eny am-bava-ady ao avaratry ny firenena. Manoratra ny Togo First hoe:
Ireny famatsiambola ireny dia hahafahana indrindra indrindra manofana ireo mpitandro filaminana tôgôley ary hanamafisana ny fanarahamaso ny sisintany manoloana ny ambana ateraky ny jihadista avy ao Sahel.
Tena misy ny ambana mety hahalasa ny ampingam-piarovana ao Tôgô hizaka fiantraikany ratsy, hoy ny Togo First :
Saingy mety handemy bebe kokoa ny fiarahamiasa ara-tafika eo amin'i Lomé sy Washington io fampiatoana io, anatin'ny fotoana izay iatrehan'i Tôgô ny fitomboan'ny tsy fitoniana ao avaratry ny firenena.
Hoavy tsy azo antoka ho an'ireo olona tafiditra amin'ny fampandehanana ireny tetikasa ireny
Toy ny any amin'ireo firenena rehetra iasàn'ny USAID, tsy afa-bela koa ireo olona tafiditra amin'ny fampandehanana ireo tetikasa novatsian'io masoivoho io vola. Any avaratry ny firenena izay ivangongoan'ireo tetikasa marobe noho ny toedraharaha maha-olona, voatery mijanona any an-tokantranony ireo mpiasa, farafahakeliny mandritra ny fepotoana telo volana manomboka ny Febroary 2025, eo am-piandrasana raha toa io fanapahankevitra io ka hovoatazona na hiverenana. Mijoro ho vavolombelona i Kodzo [solon'anarana] nitafàn'ny Global Voices:
Amin'ny lafiny iray, io fanapahankevitry ny mpitantana vaovao ao Amerika io dia tonga toy ny vely kanonta hanamontsanana ny fanantenanay hiala amin'ny tsy fananana asa. Satria isanandro izahay dia eny an-kianja ary miasa mitondra ny fanohananay eny anilan'ireo vondrom-piarahamonina. Etsy ankilany indray, hitany very an-javony ireo ezaka nandritra ny taona marobe ho an'ny fampandrosoana ireo vondrom-piarahamonina. Tena sarotra ekena ary tsy maintsy miomana hiatrika ny ratsy indrindra izahay raha sanatria tazonin-dry zareo io fanapahankeviny io.
Ho an'i Abidé, vehivavy mpirotsaka an-tsitrapo ao anatin'ny fikambanana iray miara-miasa amin'ny USAID, izay tsy tiany ny hanononana ny anarany, porofoin'ny fepotoam-pitondrana voalohany nitondran'i Donald Trump an'i Etazonia fa hotazonina io fanapahankevitra io. Raha nitafàn'ny Global Voices, hoy izy:
Fantatra amin'ireo fandraisany fanapahankevitra faratampony manoloana ny fizotry ny fiainana ankehitrinin'izao tontolo izao raha ny filoha amerikàna. Raha tsy misy fahagagàna angaha, dia efa miomana hiatrika ny ratsy indrindra aho, farafaharatsiny ho an'ny efatra taona ho avy raha mikatona tanteraka ny varavaran'ny USAID. Tsy misy tara-panantenàna.
Toa an'i Kodzo na i Abidé, marobe ireo olona hafa miaina toejavatra mitovy amin'izao, ary tsy ao Tôgô irery ihany. Raha mitarazoka io fanapahankevitra io, noho ny lanjan'ny anjara toeran'ny fanampiana amerikàna amin'ny resaka maha-olona dia ho ratsy kokoa ireo vokany. Ankoatra an'i Etazonia, sitrahan'i Tôgô ihany koa ny fanampiana avy amina firenena sy andrim-panjakana hafa mpiara-mitan-tsoroka, izay ny lehibe indrindra dia i Shina, Alemaina, Frantsa ary ny Fiombonambe Eorôpeàna.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/03/01/173602/
|
Tsimbinina ny tantara: Maika ny fiarovana anjotra ny mpanora-gazety aty Afrika atsimon'i Sahara
| 2025-03-01T03:53:46
|
Unknown
|
Mpanao gazety ao amin'ny Tsenan-kevitra ara-toekarenan'izao tontolo izao momba an'i Afrika ao Abuja, Nigeria 2014. Sary avy amin'ny World Economic Forum tao amin'ny Flickr ( CC BY-NC-SA 2.0 Generic Deed ).
Nasehon'ny fanombanan ‘ny Reporters Sans Frontières (RSF) tamin'ny taona 2024 fa mpanao gazety efa ho 20 tany Nizeria no voatafika tamin'ny fiandohan'ny taona 2023 fotsiny, taratry ny fitomboan'ny loza atrehin'ny mpiasan'ny fampitam-baovao manerana ny kaontinanta. Mandritra izany fotoana izany, navoakan'ny Tatitry ny CIPESA taona 2024 amin'ny Toetran'ny Fahalalahan'ny Aterineto ny fomba ampiasana ny fanaraha-maso ankihy sy ny fameperana an'aterineto amin'ny asa fanaovan-gazety tsy miankina, indrindra mandritra ny fifidianana sy ny krizy politika.
Rehefa mitombo ireo ambana ireo dia ilaina hatanjaka ny fepetram-piarovana ankihy hitandroana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety.
Mpanao gazety miatrika fivoaram-pandrahonana ankihy
Mifindra anjotra ny ambana rehefa nifindra anjotra ny asa fanaovan-gazety. Aty Afrika atsimon'i Sahara, mihamitombo hatrany ny fisovohana, ny fanaraha-maso, ny antsojay anjotra, ny fitandrohana , ary ny sivana anjotra mahazo ny mpanao gazety — izay matetika mihatra amin'ny fiainana andavanandro mihitsy.
Asongadin'ny tatitry ny CIPESA tamin'ny taona 2023 ny firongatry ny fanafihana ankihy tohanan'ny fanjakana any Ouganda, Ethiopia ary Nizeria, izay anarahan'ny manampahefana maso ny hetsika anjotran'ireo mpanao gazety, isamborany ny fifandraisana ary anerena fameperana amin'ny tranokala hanapotehina ireo tatitra manakiana.
Any Afrika Andrefana , matetika ny mpanao gazety no miatrika fanaratsiana anjotra sy antsojay ankihy , indrindra fa ireo mitatitra momba ny kolikoly sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Ambaran'ny Toetran'ny Fahalalahana an'Aterineto eto Afrika taona 2024 navoakan'ny CIPESA ny fanaraha-maso ankihy, ny fiarahan'ny fandisoam-baovao anjotra mamoaka vaovao ary ny fanafihana an'habaka amelezana ireo mpanao gazety mitantara ny fifidianana sy ny korontana ara-politika.
Vitsivitsy ireo ambana ankihy lehibe atrehin'ny mpanao gazety aty Afrika atsimon'i Sahara. Anisan'izany ny fanafihana an'habaka avy amin'ny fitiliana amin'ny alàlan'ny jono famitahana, rindrampisompatra, ary ireo tetika vaovao hafa entina hangalarana angon-drakitra, hisovohana anaty fitaovana, ary hamafana vaovao notaterina; fanaporitsahana angon-drakitra izay anararaotan'ny mpijirika ireo lesoka hitsofohana ao amin'ny rakitra saro-pady, ny horiran-tavan'ireo loharanom-baovao ary ireo fanadihadiana tsy mbola nivoaka; fanaraha-maso avy amin'ireo rindram-pitsikilovana sy rafitra fanaraha-maso an'aterineto mba hanaraha-maso ny fivezivezen'ny mpanao gazety sy hanerena fanivanan-tena; ary farany, fitandrohana sy antsojay anjotra. Mety iharan'ny fanararaotana mirindra anjotra ny mpanao gazety, indrindra fa ny vehivavy mpanao gazety , sy ireo mpanao gazety mpamaky bantsilana, amin'ny fanaporitsahana ny mombamomba ny tena manokana, sy amin'ny fandrahonana ivelan-jotra.
Raha jerena ny fandrahonana atrehin'ny mpanao gazety aty Afrika atsimon'i Sahara, dia mivandravandra ny filàna maika ny fiarovana mafy kokoa, na eo amin'ny sehatry ny politika na amin'ny alàlan'ny fomba fanaon'ny tsirairay an'habaka.
Nahoana no manan-danja kokoa ny fiarovana ankihy ho an'ny asa fanaovan-gazety Afrikana
Tamin'ny taona 2021, 72 isanjaton'ny firenena Afrikana no namoaka lalàna momba ny heloka an'habaka. Ka izany no mahatonga ny hamaroan'ny lalàna manao ho laharam-pahamehana kokoa ny fanaraha-mason'ny fanjakana mihoatra noho ny fiarovana mpanao gazety. Mbola malefaka ny fiaraha-miasam-paritra, toy ny lasitrasam-parovana an'habaky ny Vondrom-piarahamonina Afrikana Atsinanana, ka mahatonga ny mpanao gazety ho mora tratran'ny fandrahonana.
Mampiasa fitaovana anjotra ny governemanta, ny orinasa ary ny mpisehatra ratsy loha mba hanaraha-maso, hitandrohana, ary hampanginana ny asa fanaovan-gazety, ka ilaina matanjaka ny fepetra fiarovana. Tena ilaina ny fiarovana ankihy tsy amin'ny fiarovana fitaovana fotsiny fa amin'ny fitandroana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny fiarovana ny loharanom-baovao, ary ny fiantohana ny maha-azo itokiana ny asa fanaovan-gazety mpamaky bantsilana.
Miaro ny mpanao gazety sy ny loharanom-baovao: Miaro ny mpanao gazety sy ny loharanom-baovao: Mety hampidi-doza ain'olona ny vaovao tafaporitsaka, ka mamadika ny fandrahonana anjotra ho loza mandratra amin'ny fiainana andavanandro . Kitro ifaharan'ny mpanao gazety sy ny loharanom-baovaony ny fiarovana ny renivola ankihy.
Mikajy ny fahafaha-miteny: manohintohina ny fanaovan-gazety ny fanafihana an'habaka, mitarika ho amin'ny fanivanan-tena. Ohatra, niteraka ngidy amin'ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety ny lalànan'ny fanaraha-maso ao Zimbaboe .
Mikolokolo ny fitokisana ny fanaovan-gazety: Manimba ny fitokisan'ny besinimaro ny angon-drakitra voatohintohina. Ny fiantohana ny filaminana no ahafahan'ny mpanao gazety mitana fahefana tsy misy tahotra.
Fanambim-piarovana ankihy aty Afrika atsimon'i Sahara
Na dia mitombo aza ny ambana, dia mbola tsy mivoatra ny fiarovana ankihy aty Afrika atsimon'i Sahara. Misy ny fitaovana fanafenan-tsoratra sy ny paikadim-piarovana an'habaka, saingy maro ny sakana amin'ny fandraisana azy ireny.
Maro amin'ireo mpanao gazety no tsy manana hirika idirana amin'ny fitaovam-pifandraisana azo antoka na fiofanana momba ny fiarovana an'habaka. Tsy taka-bidy ny rindrambaiko fanafenan-tsoratra, VPN, ary sehatra fandefasana hafatra azo antoka. Vitsy ny fandaharan’asa fanofanana, ka ho mora tratra ny mpanao gazety.
Any Tanzania , manasarotra ny mpanao gazety tsy miankina hampiasa vola amin'ny teknolojia azo antoka ny fepetra henjana momba ny votoaty sy ny halafon'ny saram-panomezana fahazoan-dàlana.
Fanampin'izany, manimba kokoa ny fiarovana ankihy ho an'ny mpanao gazety ato amin'ny kaontinanta ny fanakatonana aterineto, ny fanaraha-maso faobe, ary ny halemin'ny lalàna momba ny fiarovana angon-drakitra.
Ho fampiroboroboana ny fanentanana ny fiarovana ankihy, mankalaza isaky ny 11 Febroary ny hetsika eran-tany toy ny Andron'aterineto azo antoka kokoa , manome sehatra iray hanabeazana ny mpanao gazety amin'ny fomba fanao tsara indrindra momba ny fiarovana an'habaka. Niainga tamin'ny fampiasana aterineto tompon'andraikitra ny fanentanana tamin'ny voalohany fa miresaka momba ny fiarovana ny adiresy anjotra, ny fiainana manokana ary ny fiarovana ny mpanao gazety amin'izao fotoana izao. Afa-manampy ny mpanao gazety Afrikana handray fepetra fiarovana matanjaka kokoa ny fampiasana hetsika toy izany.
Tsy safidy intsony ny fiarovana ankihy noho ny fiitaran'ny fanafihana an'habaka, fitsikilovana ary antsojay ankihy amin'ny mpanao gazety. Tsy avy amin'ireo mpisehatra jiolahim-boto ihany ireo fandrahonana ireo — samy mampiasa fitaovana nomerika mba hanaraha-maso, hanodikodinana ary hampanginana ny gazety avokoa ny governemanta, ny orinasa, ny vondrona mahery fihetsika, ary ny tambajotran-jiolahy. Tena marefo ireo mpikirakira tsy miankina sy ireo efitrano famoaham-baovao tsy miankina aty Afrika atsimon'i Sahara, matetika ry zareo tsy ampy fitaovana hiarovana amin'ireo fanafihana ireo.
Vokatr'izany, mitaky setriny mirindra ny fiarovana ny asa fanaovan-gazety anaty vanim-potoana ankihy. Amin'ny alalan'ny hetsika iombonana ihany no ahafahantsika miantoka fa malalaka, marina ary azo antoka ny asa fanaovan-gazety.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/02/19/173705/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #22
| 2025-02-19T05:00:28
|
Unknown
|
Pikantsarin'ny fantsona YouTube an'i Suzie Telep , manolotra ny lohahevitra whitisation
Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna saingy miova tanteraka ny heviny indraindray.
Hita eto avokoa ireo fizaràna rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole .
Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay:
Latabatra: voambolana malagasy nindramina avy amin'ny frantsay hoe « la table » izay mitahiry ny heviny amin'ny fampifanarahana ny rafipeony amin'ny fiteny malagasy. Amin'ny ankapobeny dia ampiasaina izy io hanondroana latabatra, afaka ampivadiana amina voambolana hafa: ny hoe “latabatra fiasàna” dia manondro ny latabatra ao amin'ny birao.
Hita io voambolana io ao anatin'ny lohatenin'ny asa fandikana lahatsoratra iray tato amin'ny Global Voices tamin'ny 2015 izay miresaka latabatra filalaovana ping-pong.
Ampiasaina ihany koa io fomba fiteny io ao anatin'ity tononkalon'i Jean Narivony ity, mitondra ny lohateny hoe « Rajakom-bazaha » (Le singe des blancs) :
Sombiny avy amin'ilay tononkalo:
« Mahazo latabatra fisakafoana,
Mampidin-divay ho rano sotroina, »
“On te donne une table pour festoyer, Et tu fais du vin ton eau à boire, “
Whitiser : ity voambolan'ny frantsay-kameroney ity dia fifangaroan'ny mpamaritoetra white ( fotsy amin'ny fiteny anglisy) sy ny tovana -iser . Izy ireo mitambatra no manome ny matoanteny ampiasaina ao Kamerona entina manondro ireo izay nandray ny fiteny frantsay ho toy ny fiteny mahazatra ampiasaina miaraka amin'ny lantom-peo eorôpeana, ka manilika ny fitenindrenin-dry zareo na ireo fiteny nasiônaly. Ilay voambolana dia mitondra mankany amin'ny dingan'ny fanomezana loko tandrefana ireo fomba fanao sy fahazarana ara-pitenenana any amin'ireo firenena afrikàna sasany.
Raha an-dry zareo Kameroney irery ny fampiasàna ny matoanteny Whitiser , misy firenena hafa ao amin'ilay tanibe kosa mampiasa fehezankevitra hafa entiny miresaka momba izany, araka ny voalazan'ity sombin-dahatsoratra avy ao anaty rakibolana an-tambajotra “ La langue française” ity:
“Whitiser” no iantsoana azy ao Kamerona, “Chokôh” no anarany ao Côte d'Ivoire, ary ao Gabon dia “Gorger”, any Martinika dia antsoina hoe “Broder”, ary ianao ka! ovainao koa ve ny lantompeonao mba hiresahana toy ireo “fotsy kely” ? (…)
Ny whitisation no lohahevitry ny famelabelarana hakàna diplaoma ‘doctorat’ nataon'i Suzie Telep , vehivavy Frantsay manam-piaviana kameroney, izay miresaka izany ao anatin'ity lahatsary ity, navoakany ao amin'ny fantsony YouTube :
Krep : Ny voambolana breziliàna “krep” dia aingampanahy avy amin'ilay “crêpe” malaza, matetika ampifandraisina amin'i Bretagne, faritra ao andrefan'i Frantsa. Saingy somary hafa ilay dika breziliàna – izay sakafo maivana fa tsy tena sakafo. Amin'ny fomba hafa no anomànana ilay feta fanaovana “krep”, ary sisihana frômazy breziliàna, sôkôlà, na voankazo toy ny goavy. Azo atao ny mividy azy eny amin'ireo tranoheva eny an'arabe na any anatin'ireo kianja.
Misy ihany koa fomba fikarakaràna iray hafa malaza any avaratra-atsinanan'ilay firenena, karakaraina avy amin'ny lafarinina mangahazo ka manome azy endrika hafa, araka izany; beiju no anaran'izy io.
Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org na jean.dedieusovon@globalvoices.org
|
https://mg.globalvoices.org/2025/02/12/173281/
|
Any atsinanan'i RDC, iharan'ny fanolànana ataon'ny sivily ihany koa ireo olona nafindra toerana noho ny fifandonana
| 2025-02-12T06:43:45
|
Unknown
|
Sary avy aty an-damosina ahitàna vehivavy iray nafindra toerana noho ny ady, ao amin'ny toby Don Bosco, any amin'ny faritra Nyiragongo ao atsinanan'ny faritany Kivu-Avaratra ; Saripika an'i Katembo Mbuto Victoire, Fampiasàna nahazoana alàlana.
Ity lahatsoratra ity dia naverin'ny Global Voices navoaka araka ny fifanarahana fiarahamiasa amin'ny www.icicongo.net . Ny lahatsoratra niandohana dia afaka jerena ao amin'ny tranonkala Icicongo .
Hatrany amin'ny andian-taona 1990 ny Repoblika Demôkratikan'i Kôngô (RDC) no voahozongozon'ireo fifandonana mitam-piadiana nateraky ny anton-javatra samihafa avy ao anatiny. Hatreto, mihoatra ny 100 ireo vondrona mitam-piadiana mavitrika voaisa ao amin'ilay firenena.
Tamin'ny 2012 no nanomboka io fifandonana amin'izao fotoana izao io: ireo mpihoko avy amin'ny Mouvement du 23 Mars (M23) dia mihevitra hoe tsy nohajain'ny fitondrana foibe ao RDC ny votoatin'ilay fifanarahana fandriampahalemana nosoniavina tamin'ny 2009 nifanaovana tamin'ny governemanta, ary dia niverina nandray fiadiana tao amin'ny faritanin'i Kivu-Avaratra.
Any amin'ireo faritra ianjadian'ny fifandonana mitam-piadiana, zavatra mahazatra ny herisetra ara-nofo atao amin'ny vehivavy, saingy tsy avy amin'ny miaramila fotsiny izy ireny, na ireo mpihoko mitam-piadiana. Misy olon-tsotra ihany koa manararaotra sy manolana ireo vehivavy mitady asa any an-tranon-dry zareo.
Izany no nanjo an'i Charline. Miaraka amin'ny fijery lasam-borona, ny ranomaso mikoriana avy amin'ireo masony, mivaky eny amin'ny endriny ny alahelon'ity tovovavy sahabo ho 20 taona ity. Hoy ny tsiarony:
Alarobia tamin'izay. Raha nandeha nitety faritra aho mba hitady asa, nisy renim-pianakaviana iray nangataka ahy hanasa ny akanjon-janany, handoavany 5000 farantsa kôngôley, avy eo izy nandeha niasa. Nandritra ny fotoana nanasàko lamba, niantso ahy avy any an-trano ny iray tamin'ireo zanany, somary vaventy ihany. Izaho nihevitra hoe misy akanjo hafa homeny ahy hosasàna. Rehefa tafiditra aho, ary satria izahay roa ihany no tao amin'ilay toerana, nadabony tamin'ny tany aho ary naolany. Natahotra ny hilaza izany tamin'ny reniny aho. Miverina ao an-tsaiko matetika ny sarin'izay tranga izay.
Toa azy, marobe ireo vehivavy nafindra toerana noho ny ady no iharan'ny herisetra ara-nofo eny am-pitadiavana asa kely hamelomana ny ankohonany. Lasibatra mora ho an'ireo mpiremby ry zareo, izay manararaotra ny maha-marefo azy.
Ramatoa iray, renim-pianakaviana niteraka roa, nihaonana tao amin'ny toby Don Bosco tao Ngangi , no manazava:
Iainanay ny fahantràna ato amin'ny toby. Tsy afaka ny ho tafavoaka velona. Isanandro, mifoha aho mba handeha any an-tanandehibe hitady izay toerana hiasàna. Saingy araraotin'ny sasany io fotoana io mba hanararaotana anay. Sarotra ho anay ny hitoroka noho izahay mitady izay fomba hanomezana sakafo sy hamaliana ireo filàna fototra ho an'ny ankohonanay.
Ho an'i Semu Sikulimwenge, psikôlôgy klinika ao amin'ny hôpitaly Heal Africa ao Goma, renivohitry ny faritanin'i Kivu-Avaratra, ny herisetra ara-nofo dia manamafy ny lanjan'ny fahefana amin'ireo iharany. Hazavainy fa:
Tena ilaina ny mandrafitra fomba fivelomana, indrindra fa asa miteraka fidiram-bola, mba hampiroboroboana ny fahavitantena ara-toekarenan'ireo niharam-pahavoazana ary hanamafisana ny fahafaha-miatrika ho an'ireo vondrom-piarahamonina voadona.
Tahotra valifaty
Manoloana ny fitomboana tsy mitsahatry ny trangam-panolanana manjo an'ireo olona nafindra toerana, ilay mpahay lalàna, Maître Patrick Musambali, milaza fa ireny fihetsika ireny dia fanitsakitsahana goavana ny voafaritry ny andininy faha 170 ao anatin'ny fehezandalàna famaizana ao RDC. Voalazan'ilay andininy fa:
Na iza na iza manao fanolànana, na izany tamin'ny alàlan'ny herisetra na fandrahonana mahery vaika, na tamin'ny alàlan'ny fitaka, na tamin'ny fanararaotana olona iray izay, noho ny aretiny, noho ny fiharatsian'ny fahafaha-manaony na izay mety ho antony hafa tsy nahy, ka very ny fahafahany mahatsapa zavatra na nesorina taminy noho ny fametsifetsena, dia hosaziana asa fanandevozana dimy hatramin'ny roapolo taona.
Nefa, tsy mahavita miampanga ireny fanararaotana ireny ny ankamaroan'ireo niharam-boina. Atahoran'izy ireny ny valifaty avy amin'ireo mpampijaly azy. Taorian'ireo fanentanana, fanirian'ny sasany tamin'ireo nafindra toerana ny hahita ireo mpampijaly azy ho any am-ponja. Eugénie Wimana, iray amin'ireo vehivavy mpitarika ao amin'ny tobin'ireo nafindra toerana ao amin'ny kianja Don Bosco, no milaza hoe:
Entaninay ireo vehivavy sy tovovavy mba hanana fahatsiarovantena iraisana mba hahatongavana amin'ny ady hanoherana ny herisetra ara-nofo. Noho ny fanampian'ireo fikambanana vitsivitsy miahy ny maha-olona, manao asa madinidinika mampidi-bola ny sasantsasany amin'ireo nafindra toerana.
Etsy ankilany, antitranterin'i Sikulimwenge fa:
Mba hamoronana habaka iray azo antoka hahafahan'ireo niharam-boina maneho ny fihetsehampony dia tena ilaina ny tohana ara-tsaina.
Mitondra ny fanampiany ihany koa ny Women Power, fikambanana iray miaro ny zon'ny vehivavy . Ao anatin'ilay tetikasany « Setriny maika amin'ireo herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy ary ny fahasalamàna ara-pananahana », ilay ONG dia manentana momba ny fanajàna ny hasina maha-olombelona no sady manao adisisika hanenjehana araka ny lalàna ireo nanao fanolànana.
Varobarotra madinika mba hivelomana
Araka ny voalazan'i Aurélie Maliro, mpanampy amin'ny fifandraisana ao anivon'ny Women Power, manodidina ny 70 % amin'ireo vehivavy ao amin'ny toby Kashaka Shabindu , any avaratry ny tanànan'i Goma no iharan'ny herisetra amin'ny endriny samihafa izay mitondra amin'ny vohoka tsy niriana, fanalàn-jaza tsy tsara antoka ary ireo areti-mifindra azo avy amin'ny firaisana.
Mirotsaka an-tsehatra mitondra fanohanana psikôlôjika izahay mba hisian'ny fanantenana ho an'ireo niharam-boina. Takianay amin'ny governemantanay ny hanohanana ireo vehivavy niharan'ny herisetra ara-nofo satria mitontongana ny fiainana ara-tsôsialy sy ara-toekarenan-dry zareo taorian'ireny fanararaotana ireny.
Ao an-toerana, manao varobarotra ny sasany mba hivelomany ; Saripika an'i Victoire Katembo Mbuto nahazoana alàlana
Mba hisorohana ny fanararaotana ara-nofo, miditra tsikelikely amin'ny fanaovana varobarotra madinika ny sasany amin'ireo vehivavy nafindra toerana, niharan'ny herisetra ara-nofo, fanolànana sy endrika hafan'ny herisetra. Vehivavy iray tsy nitonona anarana nafindra toerana ao amin'ny toby Don Bosco no manazava:
Manao asam-barotra aho. Maka vokatra fihinana any amina ramatoa iray mpivarotra izay monina eny amin'ny manodidina ny toby aho mba ho amidiko eto indray. Izany no ahafahako mahazo izay mba hohaniko sy miantoka ireo filàko hafa.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/02/06/173502/
|
Famerenana amin'ny laoniny ny fitantarana: Ny fitantarana afrikana ho lalan'ny rariny sy ny fanonerana
| 2025-02-06T03:54:16
|
Unknown
|
Ireo mpikambana ao amin’ny Komity Solontena Maharitry ny Vondrona Afrikanina ao amin’ny foiben’ny Vondrona Afrikanina. Sary avy amin'ny pejy X an'ny Vondrona Afrikana, nahazoana alalana.
Avy amin'i Mohamed Mohamud
Noraisin'ny Vondrona Afrikanina (UA) [mg] ny lohahevitry ny taona 2025 hoe “Ny Rariny ho an'ny Afrikana sy ny Vahoaka Taranaka Afrikana amin'ny Alalan'ny Fanonerana,” fanoloran-tena hanarina ny tsy rariny ara-tantara nateraky ny fanandevozana [mg], ny fanjanahantany [mg] ary ny fanavakavahana bambaray. Kinendrin'ity hetsika ity ny hankatoavana sy hanitsiana ny fiantraikan'ny tsy rariny mitarazoka amin'ny fiarahamonina Afrikana maneran-tany .
Fototr'ity hetsika ity ny famerenana amin'ny laoniny ny fitantarana Afrikana. Efa an-taonjatony no notakotakonana sy nasehon'ny fanjanahantany mbamin'ireo fomba fijery hafa ivelany tsy araka ny tokony ho izy i Afrika fa nosoritana ho ntaolo sy ambany . Natao ireo fanehoana ireny hanamarinana ilay fampanompoana sy fanararaotan'ny mpanjanaka.
Anisan'izany i Ngũgῖ wa Thiong'o avy ao Kenya, feo sahisahy ho amin'ny fialan'ny literatiora Afrikana amin'ny fanjanahantany amin'ny fampiasana ny teny Afrikana ho vato fehizoron'ny fikojakojàna sy fampiroboroboana ny fomba fitantara vazimba teratany.
Nahoana ny Afrikana no tsy maintsy milaza ny tantarany manokana
Mihamivoitra amin'ity taona 2025 ity ny maha-zava-dehibe izany filaza tantara izany hatramin'ny nanasongadinan'ny Vondrona Afrikana (VA) ny fanonerana — dingana iray manoritra feno ny tsy maintsy hakàn'ny Afrikana feno ny fahefany milaza ny tantarany. Ny manarina ny tsy rariny ara-tantara dia tsy vitan'ny hoe mamerina amin'ny laoniny ilay fitaovana ihany, fa averina amin'ny laoniny ihany koa ny fahamendrehana sy ny mari-panondroana. Noho izany, ny filazàn'ny Afrikana ihany ny tantarany no ahafahany sy ny vahoaka taranaka afrikana miatrika sy (manaisotra) ny fahasimbana tsy voakosoka navelan'ny fanjanahantany sy ny fanandevozana tamin-dry zareo.
Ankilany, manampy amin'ny fiarovana ny vakoka ireny tantara ireny. Niorina tamin'ny lovantsofina nandritra ny fotoana ela ny ankamaroan'ny kolontsaina eto Afrika, ary avy amin'izany no nampitàna isa-taranaka nifandimby ny fahalalàna, ny soatoavina ary ny tantara. Hanampy amin'ny fiarovana azy ireo manoloana ny fanatontoloana sy ny fampitoviana loko ara-kolontsaina ny fanoratana ireny tantara ireny amin'ny endrika printy sy ankihy (nomerika) mandritra ny vanim-potoana maoderina. Zava-dehibe izany amin'ny fitazonana ny maha-isafatsiroa ny vahoaka Afrikana sy ny vondrom-piarahamoniny, ka hiteraka fahatsapam-pitohizana sy fahatezàna.
Ny fiantraikan'ireo goavan'ny literatiora afrikanina sasany
Voavolan'i chebe sy Adichie ny mari-panondroana afrikana amin'ny eritreritra sy ny teny, mamonto ao amin'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo ny hevitra fiavotan-tena. Nanohitra tsy ankivilivily ny fombam-pitenim-panjanahantany tamin’ny alalan’ny bokin-tantarany mitondra ny lohateny hoe “ Things Fall Apart ” i Achebe, izay nalaza ho rain’ny literatiora afrikanina. Tamin'ny fanoritsoritana ny fiarahamonina Igbo talohan'ny fanjanahantany tamin'ny endriny feno i Achebe no niezaka namerina amin'ny laoniny ny tantara sy ny kolontsain'ny Afrikana navilan'ny fomba fijery tandrefana. Ahitana taratra ny fahamendrehana sy ny haren'ny fomban-drazana afrikana ny asany ary mampihanjahanja ny fitaoman'ny fanjanahantany nanapatapaka, ka izany no nahafahan'ny mpamaky mifandray amin'ny lova iombonana.
Toy izany koa, noraisin'i Adichie ho amin'ny ankehitriny tamin'ny sanganasany izany lova izany. Nalaza tamin'ny tantara nosoratany ny “ Half of a Yellow Sun ,” izay nitondrany maso ara-tantara izay nitranga tokoa tamin'ny Ady tao Biafrà, Nizeria . Derain'ny fitantaran'i Adidchie ny fahazakàn'ny vondrom-piarahamonina afrikana; asehony ny fanavatsavàn'olon-tsotra ireo fanamby tsi-mahazatra. Navoitrany kokoa ny fitomboan'isan'ny traikefa afrikanina, miady amin'ny hevi-draikitra (fitsarana an-tendrony), ary ny fanamafisana indray ilay mari-panondroana mavitrika sy mivoatra.
Endrika famerenana amin'ny laoniny ara-pahaizana sy ara-kolontsaina ny filaza tantara, amin'io odidina (toe-javatra) io. Raha afaka mamaha ireo hantsana ara-toekarena ny fanonerana ara-bola, dia atrehin'ny filaza tantara ireo tsy-rariny mihatra amin'ny vahoaka afrikana. Omeny alalana ny fanitsiana ireo rakitra ara-tantara, ny fankalazàna ny zava-bita afrikana, ary ny fankatoavana ny fandraisan'ny kaontinanta anjara amin'ny sivilizasiona manerantany.
Manainga fanahy ireo taranaka ho avy ihany koa ireny tantara ireny. Ho an'ny tanora afrikanina na taranaka afrikanina, manome ny fototry ny fampivoarana fankatoavan-tena ny fahafahana mitaratra indray mandeha ny tantaran'izy ireo sy ny kolontsaina naseho. Tena ilaina tokoa izany fanomezam-bahana izany mba hananganana mpitarika sahy miseho amin'ny lovany ary hitondra fanovana amim-pireharehana eo amin'ny vondrom-piarahamonin'izy ireo.
Ifantohan'ny lohahevitry ny VA taona 2025 ihany koa ny firaisankina eo amin’ny Afrikanina sy ny ampielezana. Afa-mihoatra ny fanakanan'ny halavirana sy ny kolontsaina ho (lasa) mari-panondrona tokana tsy voasakan-tsisitany ireo tantara zaraina. Ilaina izany firaisankina izany handrisihana ezaka mankany amin'ny rariny mamerina amin'ny laoniny, ka heno sy mahazo lanja avokoa ny feon'ireo afrikana sy ny vahoaka taranaka afrikana.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/02/04/173573/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #21
| 2025-02-04T10:36:47
|
Unknown
|
Sarinà pince-nez ; pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Antique Menswear
Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna saingy miova tanteraka ny heviny indraindray.
Hita eto avokoa ireo fizaràna rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole .
Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay:
Dépanneur: io dia anarana avy amin'ny matoanteny hoe dépanner , ary anondroana ny asan'ny olona iray manamboatra ny tsy mety amina milina, na fiara, araka ny fanamafisan'ny rakibolana Le Robert . Saingy ao Kanadà, na ny marina kokoa ao Québec miteny frantsay, mitafy heviny hafa io voambolana io: manondro toerampivarotana enta-madinika manakaiky ny tanàna. Ireny toeram-pivarotana kely ireny izay mijanona misokatra hatramin’ ny alim-be, tsy mitovy amin'ireo fandraharahàna ara-barotra hafa. Raha fehezina, ny hoe “dépanneur” ao Québec dia mamonjy an'ireo mpanjifa rehefa mikatona ireo toeram-pivarotana hafa.
Ity lahatsary ity no milaza misimisy momba io fomba fiteny ao Québec io:
Kuluna: Ao RDC no tena ampiasàna ity voambolana ity. Manana fiaviana sady pôrtiogey no frantsay izy, ny voambolana hoe kuluna dia avy amin'ny hoe culuna, fandikàna ny voambolana frantsay hoe colonne, hilazàna ireo andiana tafika na fitaterana mitanjozotra.
Ankehitriny izy dia isan'ireo voambolana pôlitika ho an'ny tanibe afrikàna satria manondro amin'ny lafiny hafa ireo tanora jiolahy sy tsy mpanara-dalàna ao RDC. Tany amin'ny andian-taona 1990 tany no noraisin'ilay firenena izy io mba hanondroana ireo tanora eo anelanelan'ny 15 sy 35 taona tafiditra amin'ny fanaovana asa-jiolahy voarindra tao an-tanànan'i Kinshasa.
Ity tatitra vakiana amin'ny fiteny anglisy ity no milaza io trangana heloka bevava io ao RDC:
Pince-nez : na koa pincenê amin'ny pôrtiogey – dia solomaso (binocle) ahantona eo amin'ny orona. Efa tena voasolon'ireo solomaso maoderina tanteraka izy ity nandritra ny taonjato faha-roapolo. Teny nosintonina avy amin'ny frantsay ho amin'ny fiteny maro tamin'izany fotoana izany, isan'izany ny nankany amin'ny fiteny pôrtiogey.
Amin'izao androntsika izao, ao Brezila, óculos no ilazàna ny solomaso. Kanefa, indraindray dia mbola heno ihany io voambolana efa somary lany andro io ho entina hilazàna ireo solomaso, amin'ny ankapobeny avy amin'ireo olon-dehibe izay tsy voatery hahafantatra hoe avy amin'ny voambolana frantsay ilay izy. Ny pince-nez , nalaza tamin'ny taonjato faha-siviambinifolo , dia afaka ampiasaina mba hilazàna io vanim-potoana io, voamariky ny fiafaràn'ny ampira tao Brezila, sy ny fiandohan'ilay repoblika tranainy. Ity fampirantiana zavakanton'ny vaninandro maoderina ity, ohatra, dia mitondra ny anarana hoe “Pince-nez”, ho fanondroana mpiantsehatra iray ao anatin'ny boky tamin'izay andro izany.
Mba hahafantaranao ny fivoarana rehetra nolalovan'ny pince-nez , indro ny lahatsary iray amin'ny fiteny anglisy:
Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org na jean.dedieusovon@globalvoices.org
|
https://mg.globalvoices.org/2025/02/04/173516/
|
Miantraika amin'ny rohivoary sy ireo fiarahamonin'i Madagasikara ny fiakaran'ny hafanana
| 2025-02-04T04:16:59
|
Unknown
|
Karazana maky mikirazorazo amin'ny hazo maina noho ny tsy fahampian’ny orana eto Madagasikara; pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Al Jazeera anglisy
Navoaka ity lahatsoratra ity ho ampahany amin'ny fanofanana momba ny rariny ara-toetrandro eto Afrika .
Tena manan-karena tontolon-javamananaina ny nosy Madagasikara saingy mbola tena marefo manoloana ireo fahasimbana ateraky ny fiakaran'ny hafanan'ny tany izay tena handravarava eo amin'ny rohivoary sy ny fiaraha-monina eo an-toerana.
Noho ny fangitra ara-jeografika sy ny fitokana-moniny, ahitana biby sy zavamaniry tsy manam-paharoa i Madagasikara, ary maherin'ny 80% amin'ny karazan-javamaniry sy biby ao no andemika , araka ny asehon'ity famoahan'ny Brut Nature ity ao amin'ny kaonty X-ny:
C'est l'un des paysages les plus spectaculaires de Madagascar : un immense labyrinthe de calcaire où prospèrent une faune et une flore exceptionnelles.
Voici la réserve naturelle intégrale du Tsingy de Bemaraha pic.twitter.com/bdrpFUZHyG
— Brut nature FR (@brutnaturefr) April 28, 2020
Iray amin'ireo toerana mahafinaritra indrindra eto Madagasikara: lalantsokay mifaningotsingotra mampiroborobo biby sy zavamaniry miavaka.
Indro ny valanjavabary feno ao amin'ny Tsingin'i Bemaraha
Na izany aza, tena mampidi-doza ho an'ity tontolon-javamiaina tsimanampaharoa ity sy ny fiveloman'ny mponina ao an-toerana ny fiakaran'ny hafanana, ny fikorontanan'ny rotsak'orana ary ny fiakaikezan'ny loza voajanahary.
Rohivoary tandindonin-doza sy ny sehatry ny fambolena mikorontana
Tandindonin-doza tokoa ny rohivoarin'ny ala malagasy. Mampihena haingana ny fonenana voajanahary ny hain-tany mitarazoka sy ny doro ala , ary manampy trotraka ny fihafanan'ny toetrandro.
Mampanjavona haingana ny ala ny fiantraikan'ny fandripahana ala toy ny fanaovana tavy sy ny f itrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy . Tamin'ny Janoary 2021, namoaka tatitra ara-tsiansa ny WWF mitondra ny lohateny hoe “ Les fronts de la déforestation : moteurs et réponses dans un monde en mutation ” ( Ny vavan'ny fandripahana ala: môtera sy setriny ao anaty Tontolo Miofo), izay manolotra fakafaka lalina momba ny anton'ny fandripahana ala sy ny vahaolana azo atao eo amin'ny sehatra manerantany. Nofantarin'ny tatitra ireo “vava fandripahana ala” 24 maneran-tany, ireo faritra izay tena mavitrika amin'ny fandripahana ala ary tena ahiana mafy ny ala amin'ny sisa tavela. Tafiditra anaty lisitra amin'ireo vava 24 ahiana ireo i Madagasikara.
Teo anelanelan’ny taona 2004 sy 2017 , manodidina ny 700 000 ha ny ala potika teto amin'ny nosy, ary tany amin’ny faritra atsinanana sy andrefana no tena nisian'izany. Tamin’ny taona 2020 , araka ny angom-baovaon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy , dia maherin’ny 60.000 ny fameloman'afo niteraka doroala tao anaty ala teto Madagasikara voarakitra . Teo anelanelan'ny taona 2002 sy ny taona 2023 , dia 1,08 tapitrisa hektara eo ho eo ny velaran'ny ala mandon'i Madagasikara tsy nambolena nanjavona.
Eo amin'ny lafiny sosialy sy toekarena, tsapan’ ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana lalina ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro . Marefo tanteraka eo anatrehan'ny fiovaovan'ny toetr'andro ny fambolena, izay mahasahana ny ampahefatry ny harinkarena anatiny , ary foto-piveloman'ny ankamaroan'ny mponina satria mampiasa ny 80%-n'ny olona afa-miasa . Mampihena ny voka-tsakafo ary manambana ny antoka ara-tsakafo ny hain-tany mihamatetika. Raha atambatra, araka ny tatitry ny WWF nivoaka tamin’ny taona 2019, tsy mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro ny 53%-n’ny faritra arovana eto Madagasikara, indrindra noho ny fahaverezan’ny fonenana voajanahary vokatry ny fandripahana ala.
Fanampiny, mihasarotra ny fahazoana rano fisotro any amin’ny faritra sasany, indrindra ny any atsimon’i Madagasikara, ka vao mainka manamora ny fahazoana aretina. Misy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny olombelona koa ny fahalotoan ‘ny rivotra.
Etsy ankilan'izany, voafotsy ny vatosokay ( haran-dranomasina ), izay tena ilaina amin'ny fifandanjan'ny rohivoary an-dranomasina sy ny jono ao an-toerana, izany hoe miakatra mihoatra noho izay zakan'ny vatosokay ny hafanan'ny rano, ka voaroaka ny lomotra, izany no niavian'ny voambolana hoe “voafotsy” – noho ny fiakaran'ny hafanan'ny rano. Nefa ireny haran-dranomasina ireny no toeram-pikarakarana/famahanana ireo karazan-trondro maro, ary ny fahapotehany no mampifintina ny tontolon-javamiaina an-dranomasina ary mahatratra ny fanjarian-tsakafon'ny mponina amorontsiraka.
Fandrahonana mivantana amin'ny tontolon-javamiaina
Antsoina matetika ho “ hotspot de biodiversité ” (loharanon'ny tontolon-javamiaina) ity firenena ity, noho ny fiavahana manokan'ny tontolon-javamiainany amin'ireo biby sy zavamaniry tsimanampaharoa, mitatao akaiky tokoa amin'ny otrikarena voajanaharin'ity firenena ity ny ambana goavana ara-tontolo iainana.
Nidiran-doza io otrikarena biôlôjika io noho ny asan-draolombelona nanimba ny fonenana voajanahary sy nanapaka ny tsingerina biôlôjika. Akanin-karazam-biby sy zavamaniry andemika i Madagasikara, ao ireo maky [mg], tanalahy sy tarondro ary reniala (baobab). Manana anjara toerana amin'ny fifandanjana ara-tontolo iainana sy amin'ny fiveloman'ny eo an-toerana ireo karazan-drohivoariny, toy ny ala mando any atsinanana sy ny faritra maina any atsimo , ny ala honko [mg] sy ny haran-dranomasina , saingy tratran'ny ambana tsy mbola nisy toy izany , izay manana isa 4.69 amin'ny 5 ao amin'ny Tatitry ny Ambana ara-tontolo iainana taona 2024 .
Mandravaka izany ambana izany ny lahatsary iray avy amin'ny fampitam-baovao Le Monde Afrique mitondra ny lohateny hoe “ A Madagascar, 95 % des espèces de lémuriens menacés d’extinction ” (Madagasikara, ahiana ho lany tamingana ny 95%-n'ireo karazana maky):
Anisan'ny loza mitatao amin'ny tontolon-javamiaina ny fampiasana tafahoatra ireo singa famonoam-boalavo , izay mandoto ny tany sy ny rano, mampidi-doza ireo mpamindra vovobony sy karazam-biby zavamaniry hafa ilaina. Ankoatra izany, tsy zakan'ny zavamananaina maro ary mety hahalany tamingana azy ireo haingana, ny fihafanàn'ny tany , miampy fandotoana shimika, plastika ary tabataba.
Manapaka ny rojon'aina ihany koa ny fanjavonan'ny karazan-javamaniry sy biby andemika malagasy . Lalina sy mivantana ny fianjadîny ho an’ny zanak’olombelona, satria nahasahana ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy.
Farany, tsapa any amin’ny sehatrasa isan-karazany toy ny fizahantany sy ny jono, izay miantehitra amin’ny fahamaroan'ireny rohivoary ireny, ny traika ara-toekarena sy sosialy ateraky ny fahaverezan’ny tontolon-javamiaina .
Vahaolana sy hetsika fikajiana ny tontolon-javamananaina
Ho fanavotana ny tontolon-javamiaina, zava-dehibe ny hetsika politika manerantany sy ny politika mifandraika amin'izany. Tamin’ny taona 1995 , nankatoavin’i Madagasikara ny Dinan'ny fahasamihafàna biolojika (CBD) , izay natao hanandratra ny fikajiana ny rohivoary sy ny fiarovana ireo faritra an-dranomasina sy an-tanety . Mandrisika ny firenena ireo fifanarahana ireo handraisany fepetra hiarovana ny fonenana voajanahary sy hanakanana ireo fanao manimba.
Misy ireo mandray fepetra vaovao mba tsy haharipaka ny ala, araka ny asehon'ity tatitra avy amin'ny Tv5monde ity:
#Madagascar est un haut-lieu de la biodiversité mondiale. 80% de sa faune et de sa flore sont endémiques. Mais la déforestation menace cette richesse naturelle. Reportage dans la forêt d'Anjozorobe où des paysans ont choisi l'apiculture comme alternative à la coupe de bois. pic.twitter.com/HHJ4XmQVWW
— Le journal Afrique TV5MONDE (@JTAtv5monde) January 17, 2021
Akanin'ny tontolon-javamiaina maneran-tany i Madagasikara. Andemika ny 80%-n'ny biby sy zavamaniry ao aminy. Saingy ambana amin'izany harena voajanahary izany ny fandripahana ala. Angom-baovaon’ny alan’Anjozorobe izay nisafidianan'ny tantsaha hiompy tantely ho solon’ny fikapàna hazo.
Asongadin'ny zavamisy ara-tontolo iainana eto Madagasikara fa vaindohan-draharaha ny ihetsehan'ny iraisampirenena sy ao an-toerana manao izay hanalefahana ny fiantraikan'ny fihafanana ara-toetrandro. Fanamby voalohany ny fitadiavam-bahaolana miaro ny rohivoary malagasy sady maha-antoka ny fiveloman'ny mponina.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/01/10/173350/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: fizarana faha#19
| 2025-01-10T03:04:44
|
Unknown
|
Pikantsarin'ny taxi-clando (jonobotry) iray ao Kamerona ; avy ao amin'ny fantsona YouTube DAM – Fandihadiana Auto / Moto
Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna sy matetika maka dika vaovao mihitsy.
Hita eto avokoa ireo fizarana rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole .
Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay:
Baptiser : matoanteny notsoahana avy amin'ny hoe batemy, izay manazava ny zavamisy hoe famadihana ny olona iray ho kristiana , ny matoateny “ baptiser ” (manao batisa) dia manana dika hafa eny amin'ireo mpiteny Camfranglais , fitenin-jatovo kameroney. Mazàna ampiasaina eny an'arabe, ny fomba fiteny hoe “ baptiser” dia midika fotsiny hoe misoloky amin'ny Camfranglais . Mba hampitàna hafatra mifonofono, ireo mpisoloky madinika no mampiasa. Ohatra:
« J’ai baptisé le biblos » hilazana hoe « Voasolokiko ilay rangahy fotsy hoditra ».
Žůžo : Ity voambolana tseky ity, tononina hoe ‘joujo’ dia isan'ny fiteny mahazatra ary manondro toejavatra iray na zavatra iray mitondra fahafinaretana. Izy io dia afaka adika ho ‘génial’ (tsara be), ‘super’ (mahafinaritra be), ‘fabuleux’ (goavana/mahavariana). Angamba mety ho iray amin'izay nipoirany ny fiteny frantsay hoe ‘joujou’ izay ilazana kilalao na zavatra iray mahafatifaty. Saingy lazain'ny sasany amin'ireo mpahay momba ny fiteny koa fa mety hisy ny etimôlôjia iray hafa , avy amin'ny fiteny Romani , izay hita ao anatin'ny fiarahamonina tseky efa nandritra ny taonjato dimy mahery , ka ao anatin'izany ny voambolana “žůžo” dia midika hoe ‘madio’.
Taxi-clando : fanafohezana ny voambolana ‘clandestin” ilazana ny zavatra iray tsy ara-dalàna na tsy manaraka fenitra ary tsy ambany fifehezan'ny fanjakana. Ireo taxi-clandos (jonobotry) dia fiara fitaterana manao ny asa tsy misy hafa amin'ny an'ny taxi rehetra saingy manana ny toetoetrany manokana. Miainga avy amin'ny maotera ka hatramin'ny vatany, mandalo amin'ny seza, ny varavarany – tsy misy mba ara-dalàna ny momba ireo taxi-clondo. Mora foana ny ahitàna azy ireny any amin'ireo firenena sasany ao Afrika, toa an'i Gabôna na Kamerona. Any amin'ireny firenena ireny, ny “taxi-clandos” dia mitàna anjara toerana goavana satria miasa ho toy ny mpampita amin'ny fivezivezen'ireo vahoaka monina any amin'ny faritra ivelan'ireo tanàndehibe.
Ity fanadihadiana ity, mitondra ny lohateny hoe” Ny loza mahatsiravina eny an-dalambe ” no manasongadina ny andavanandrom-piainan'ireo mpamily ireny jonobotry (taxi-clandos) ao Kamerona ireny.
Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org
|
https://mg.globalvoices.org/2025/02/02/173460/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #20
| 2025-02-02T04:52:52
|
Unknown
|
Sary fanaingoana ahitàna ireo voambolana telo: Copa, Complosphère sy Mitourne ; Sary an'i Jean Sovon, noforonina tamin'ny Canva
Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna sy matetika maka dika vaovao mihitsy.
Hita eto avokoa ireo fizarana rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole .
Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay:
Copa : ampiasaina ao Tôgô ity fomba fiteny ity ary midika hoe “namana” ( ‘ copain ‘, ‘ pote ‘). Na mitovitovy amin'ny fandikana ny voambolana espaniôla hoe “ coupe ” (tapaka), avy amin'ny fitenin-jatovo ao atsimon'i Tôgô izy io izay fampiasa matetika eny an-dalambe ao Lomé, renivohitry ny firenena. Izy io dia isan'ireo voambolan'ny fitenin-jatovy be mpampiasa indrindra eny amin'ireo mpinamana na mpifankahafantatra, satria manondro namana akaiky.
Ankoatry ny “Copa”, betsaka ireo endrika voambolana hafa teraka avy amin'ny hoe ‘ copain ‘ ampiasaina ao amin'ilay firenena: “ gnocopain ” sy “ gnocopin ” izay tononina any anatin'ireo fifandraisana ara-pitiavana.
Complosphère : ity voambolana vaovao ity dia fitambaran'ny hoe ‘ complot ’ sy ‘ sphère ’. Toy ny fiteny rehetra, tsy tapaka mamorona voambolana vaovao hatrany frantsay, ary ity iray ity dia tafiditra ao anaitn'ny rakibolana Robert, edisiôna 2024, nanaraka ny lasitr'ireo famoronana ara-pitenena hafa toy ny hoe “ blogosphère ” na “ fachosphère “.
Araka ity lahatsoratra ity , izy io dia manondro ny hoe:
“vondron'olona mandray anjara amin'ny fanelezana hevitra heverina ho misy firaisana tsikombakomba ao anaty aterineto”
Ity lahatsoratra ity dia mampiditra io fomba fiteny io ho ao anatin'ny lohateniny: Google Earth: rekefa misy tsipika fotsy mandrehitra ny “complosphère”
Mitourne : ampiasaina ao Madagasikara ity voambolana ity. Avy amin'ny matoanteny frantsay hoe “ tourner “, nampiana ny tovona malagasy hoe “ mi -” mba hanomezana azy dika hafa mihitsy : reculer . Io matoanteny io dia mitovy hevitra amin'ilay fomba fiteny malagasy hoe ‘ mihemotra ‘. Ao amin'ilay firenena, ampiasaina matetika ny fomba filaza hoe “biby mitourne”, midika hoe “biby manao dia mianoatra”, indrindra fa hilazàna ny foza orana , karazana oran-dranomamy madinika.
Mbola avy amin'ny matoanteny “ tourner ” ihany, ilay fomba fiteny koa dia niteraka endrika maro toy ny fehezanteny mibako, saingy nasiana fanovàna kely ny fomba fanoratra azy :
“Mitorena !” : “Recule !”
Ilay Malagasy mpanakanto “ Kikis on the track ” dia mampiasa azy io ao anatin'ilay hirany mitondra lohateny hoe “ Foza orana DrillR 2022 ”, izay fanavaozana iray natao an'ilay “Foza Orana” an'i Ramora Favori.
Hatramin'ny nisian'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 2009 noketrehan'i Andry Rajoelina , filohan'i Madagasikara hatramin'ny 2019, no tena niely be tao amin'ilay firenena ny fomba fiteny hoe “biby mitourne”.
Eto, misy ranty iray tao amin'ny Facebook manondro ankolaka ny filoha miaraka amin'ilay fomba fiteny hoe “foza orana, biby mitourne” :
Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org
|
https://mg.globalvoices.org/2025/02/01/173171/
|
Krizin'ny fahalotoan'ny rivotra ao Afrika Atsimo: ireo antony sy ny vahaolana
| 2025-02-01T04:29:42
|
Unknown
|
(lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 29 Des 2024)
Setroka alefan'ny ozinina Sasol Secunda. Sary an'i AntimatterMachine ao amin'ny Wikimedia Commons ( CC BY-SA 4.0 Deed ).
Nosoratan'i Grace Kobare
Miaina fitomboana malaky be ireo tanàndehibe afrikàna, mihoatra ny 65 isanjaton'ny mponina ao amin'ilay tanibe no heverina fa hiaina any amin'ireo faritry ny tanàndehibe hatramin'ny 2060. Na izany aza, raha afaka mitondra tombony maro ara-tsôsialy sy ara-toekarena ny fanitarana ny tanàndehibe, misy ihany koa ny vokadratsy entiny miaraka aminy. Ohatra, navoitran'ny tatitra iray vao haingana avy amin'ny Greenpeace fa i Afrika Atsimo dia isan'ireo sangany amin'ny fandotoana rivotra iainana ao amin'ilay tanibe.
Mitranga ny fahalotoan'ny rivotra rehefa aparitaka eny amin'ny rivotra ireo singa mpandoto, miteraka ambana goavana ho an'ny fahasalaman'ny olombelona sy ny tontolo iainana. Mbola io no mijanona ho ny antony goavana indrindra erantany amin'ny olan'ny tontolo iainana , indrindra fa any amin'ireo faritra an-tanàndehibe be mponina. Ao Afrika Atsimo, ny fahalotoan'ny rivotra no ambana faharoa goavana indrindra ho an'ny fahasalamana , tomponandraikitra amin'ny famoizana aina efa ho 25.800 tamin'ny 2019. Manimba ny fahasalaman'ny isam-batanolona ny fahalotoan'ny rivotra an-tanàndehibe, ary mametraka olana fanampiny ho an'ny rafitra ara-pahasalamana efa marefo sy tototra rahateo ao Afrika Atsimo , mampihena ny vokatra azo no sady manakivy ny fizahantany sy ny fampiasambola avy any ivelany.
Antony miteraka izany
Voalahatra ho faha- 12 erantany amin'ireo firenena tena mpandefa entona manafàna ny tany ary ny sehatry ny angovo ao aminy no voalohany indrindra miteraka ny krizin'ny fandefasana entona ao Afrika Atsimo . Hita ao amin'ilay firenena ny enina amin'ireo toerana 10 midadasika indrindra erantany mpandefa entona diôksida-na nitrôzena ary loharano sivy amin'ireo 10 midadasika indrindra ao Afrika amin'ny famokarana diôksida-na nitrôzena .
Ao Afrika Atsimo ihany koa no ahitàna ny roa amin'ireo goavana indrindra amin'ny toerana ivoahan'ny entona diôksida-na solifara eto an-tany ary loharano efatra lehibe amin'ny fandefasana entona diôksida-na solifara . Ao amin'ny faritra atsimon'i Afrika, ny fandefasana entona diôksida-na nitrôzena, diôksida-na solifara, ary ireo singa organika faran'izay bitika mora miparitaka eny amin'ny rivotra (toy ireo ranoka simika avy amin'ny indostria) no tena mifamatotra indrindra amin'ny sehatry ny angovo. Mandritra izany fotoana izany, ny solika fandrehitra ho fanafanàna sy ho fahandroan-tsakafo no mandray anjara voalohany amin'ny fandefasana karbôna mainty , fantatra ihany koa amin'ny hoe molaly ( soot) , izay mety hiteraka fiantraikany mivantana amin'ny fahasalamàna.
Ny entona diôksida-na nitrôzena sy ny diôksida-na solifara, vokatra avy amin'ny fandoroana solika fôsily amina hafanana ambony be, no mpandoto goavana indrindra ananana firaketana tsara momba ny ambana ara-pahasalamana ho an'ny daholobe . Ny filonana maharitra na tafahoatra anatin'ireny entona ireny dia hiteraka olana goavana ho a n'ny fahasalamana. Ny diôksida-na nitrôzena dia mifandray amin'ireo ambana miteraka sohika rehefa ela ny ela, ary ny fiharatsian'ny olan'ny taovam-pisefoana, raha ny diôksida-na solifara kosa indray dia mifandray bebe kokoa amin'ny fampidirana hôpitaly ateraky ny aretina sohika.
Any amin'ireo firenena kely fidirambola, manodidina ny 85 isanjato amin'ireo kasinga madinika no avy amin'ny fandoroana fako (biomass) . Tena manandanja manokana io tranga io ao Afrika Atsimo izay toerana ny 70 isanjaton'ny mponina kely fidirambola ao no miantehitra amin'ny fandrehitra mpandoto , toy ny kitay, jabora, ary ny arina ho an'ny filàny angovo ao an-tokantrano ho enti-mahandro na manafàna. Io fiankinandoha io dia mandray anjara betsaka amin'ny fandotoana ny rivotra ao an-tokantrano - Household Air Pollution (HAP).
Ny HAP dia mampitombo ny ambana hitrangan'ny fahatapahan'ny lalandrà, ny aretim-po, ny aretina mitaiza mahazo ny taovam-pisefoana – Chronic Obstructive Pulmonary Disease (COPD), ny homamiadan'ny havokavoka, ka ny vehivavy sy ny ankizy no tena marefo amin'izany noho izy ireo milona ela sy mifoka ny rivotra ao anaty efitrano. Misy ireo solika voatondro ho tena mamaritra ny vokatra ara-pahasalamana; ny setroky ny fandoroana biomass dia mifandray amin'ny aretin'ny traotraoka sy ny COPD, raha ny enton'arina kosa dia mampitombo ny ambana mety hisian'ny homamiadan'ny havokavoka. Na ny fandorana jabora aza, izay heverina ho madio, dia manimba ny fiasan'ny havokavoka sy mampitombo ny sohika. Ao Afrika Atsimo, ny HAP no mbola olana saropady ho an'ny fahasalaman'ny daholobe.
Fanampin'izay, ny fitaterana no mpandray anjara hafa iray lehibe amin'ny fandotoana rivotra ao Afrika Atsimo , miaraka amin'ireo fiara efa dimy tapitrisa mahery misosa eny an'arabe ao Johannesburg fotsiny, izay samy mamoaka daholo entona manimba ho eny amin'ny rivotra. Marobe ireo fiarakodia miankina amina teknôlôjia efa lany andro, ary mazàna no tsy nohavaozina ireo rafitra famenoana solika. Sady koa, ny fiankinandoha be amin'ireo fiara manokan'ny tena, sy ny fampiasana be ireo fiara fitateram-bahoaka sy kamiao, dia miteraka fivoahan'entona ambony be mifandray amin'ny resaka fifamoivoizana.
Araka ny notaterin'ny Daily Maverick , loharano iray lehibe mitondra fahalotoan'ny rivotra ireo foibe indostrialy manakaiky ny tanàndehibe, toy ny Mpumalanga Highveld sy ny Vaal Triangle , izay tena loharano fototry ny fiparitahan'ireo singa mpandoto toy ny PM2.5 sy ny diôksida-na solifara noho ny fitrandrahana arintany sy ny fandoroana arintany amin'ireo tobim-pamokarana herinaratra. Tamin'ny 2022, notsarain'ny Fitsarana Antampony ao Afrika Atsimo hoe voahitsakitsaky ny kalitao ratsin'ny rivotra eny amin'ireo faritra Highveld Priority Area (HPA) ny zon'ny isam-batan'olona omen'ny lalàm-panorenana azy mba hanana tontolo iainana azo antoka ho an'ny fahasalaman-dry zareo sy ny fahasambarany.
Ny fitomboan'ny filàna angovo, ny asa indostrialy, ary ny filàn'ny fitaterana ateraky ny fitomboan'ny tanàndehibe ao amin'ilay firenena, dia mametraka ny fanitàrana malaky ny tanàna ho singa iray goavana miteraka fiakaran'ny fahalotoan'ny rivotra ao Afrika Atsimo . Johannesburg, ohatra, dia an-dàlan'ny ho lasa tanàna goavambe mandra-pahatongan'ny 2030. Ny fihitarany malaky be dia manamafy ny fandefasana entona avy amin'ireo fotodrafitrasa toy ny famokarana herinaratra, izay miantehitra be amin'ny solika fôsily, ary koa ny fitaterana sy ny indostrian'ny metaly. Ireny asa ireny dia mamoaka mpandoto tena manimba toy ireo kasinga madinika (PM2,5), ny diôksida-na solifara (SO2), ny ôksida-na azôta, izay mihoatra ny torolàlan'ny OMS momba ny kalitaon'ny rivotra azo antoka.
Araka ny fikarohana iray tamin'ny 2015 nataon'ny United Nations Environment Programme (UNEP ), ananan'i Afrika Atsimo ny Minimum Emissions Standards (MES) – fetra farany ambany amin'ny fandefasana entona avoakan'ny indostria, saingy ny fampiharana azy no tsy mirindra, ary tsy mitovy ny fanapariahana ny fanarahamaso ny kalitaon'ny rivotra. Manodidina ny 40 isanjaton'ny vahoaka no tsy manana fahafahana mahazo ilay fanarahamaso ny kalitaon'ny rivotra ao anatin'ny savaivo mirefy 25 km (15.53 mile), manohintohina ireo firotsahana an-tsehatra mahomby miainga avy amina angondrakitra tsara.
Ny fanitarana ny fampiasàna angovo azo havaozina sy ny fampihenàna ny fiankinandoaha amin'ny arina fandrehitra dia isan'ny vahaolana mety ho an'ny fahalotoan'ny rivotra ao Afrika Atsimo, izay mety hanatsara ny kalitaon'ny rivotra. Ny fanatsaràna ireo fotodrafitrasa momba ny fitateram-bahoaka mba hampihenàna ny isan'ny fiara mandeha eny an'arabe, ny fampiharana ny fenitry ny trano maitso, ary ny fananganana habaka maitso an-tanandehibe, dia mety hanampy amin'ny fanalefahana ny fahalotoana sy ny vokany. Ankoatra izany, ny fanamafisana ireo fepetra voafaritry ny Lalàna 2004 momba ny kalitaon'ny rivotra sy ny fomba fanao ara-indostria madio kokoa dia tena zavadehibe amin'ny fanatràrana ny fanatsaràna anaty fotoana maharitra.
Iarahan'ireo manampahefana ao Afrika Atsimo miasa ireo fikambanana toy ny Clean Air Fund sy UNEP, amin'ny alàlan'ny fanentanana, tolokevitra pôlitika, ary fiarahana miasa amin'ny governemanta sy vondrom-piarahamonina ao an-toerana. Kendren'ireny fiarahamiasa ireny ny hiatrika ireo fanamby ara-drafitra sy hampiroborobo ny fitomboana maharitra eny an-tanàndehibe.
Ohatra, tamin'ny 2023, natomboky ny Clean Air Fund tao Afrika Atsimo ny hetsika momba ny fahalotoan'ny rivotra, nanorina ny asany tany amin'ireo tanàndehibe afrikàna, niaraka tamin'ny fifanomezan-tànan'ny C40 Cities . Araka ny voamarika ao anatin’ io tatitra io , Johannesburg dia niditra ho ao anatin'ilay hetsika Breathe Cities , nahazo tohana ara-teknika, fanamafisana ny fahaizamanao, ary ny fanolorantena ho an'ny fiarahamonina mba hametrahana ireo fepetra momba ny rivotra madio izay mety hanavotra ain'olona 2.800 sy hahavoriana 640 tapitrsa dôlara amerikàna (12 lavitrisa ZAR) hatramin'ny 2040.
Ao Cape Town, ny fanentanana UrbanBetter Citizens for Clean Air dia nanosika ireo tanora mpihazakazaka mba hanangona angondrakitra momba ny kalitaon'ny rivotra sy hanao adisisika hanànana pôlitika momba ny rivotra madio. Fanampin'izany, fiarahamiasa iray tamin'ny Climate Visuals no namokarana angona saripika maimaimpoana manasongadina ireo vondrom-piarahamonina faran'izay tena nizaka ny fahalotoan'ny rivotra ao Johannesburg sy Highveld. Kendren'ny Clean Fund amin'ny alàlan'ny fampandraisana anjara ireo mpitarika eo an-toerana, ireo vondrona anaty fiarahamonina ary ireo andrim-pampianarana, ny hanolotra vahaolana maharitra tarihan'ny avy eo an-toerana ary miatrika ny fiantraika midadasiky ny fahalotoan'ny rivotra manerana an'i Afrika Atsimo.
Asongadin'ny fahalotoan'ny rivotra ao Afrika Atsimo ny filàna maika ezaka voarindra amin'ny fanavaozana ny pôlitika, ny fahatsiarovantenan'ny daholobe, ary ny fampandrosoana maharitra an-tanandehibe mba hampifandanjàna ny fanorenana tanànandehibe mihazakazaka sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny fiatrehana io fanamby io dia mitaky fiarahamientana avy amin'ireo mpanao pôlitika, mpandraharaha, ny olompirenena mba hamahàna ifotony ny olana , hanohànana ireo fepetra fandrindràna, ary ny fampiharana ireo vahaolana toy ny angovo madio kokoa sy ny fandrafetana tsara kokoa ny tanàna. Rehefa miaraka daholo mba hitaky fanovàna ary manao dingana mivaingana, ananan'i Afrika Atsimo ny hirika ahafahana misoroka ny fahalotoan'ny rivotra sy hiarovana ny fahasalamam-bahoaka ary ny tontolo iainana.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/01/11/173156/
|
Ny fiakaran'ny etona voajanahary nafintina ho anisan'ny fandrehitra hafa any Nizeria
| 2025-01-11T04:00:01
|
Unknown
|
Pikantsarin'ny foiben'ny fanovàna CNG ao Abuja avy amin'ny horonan-tsary Youtube, ‘ Nizeria mamoaka kitapo fanovàna ho etona voajanahary nafintina (CNG) manerana ny firenena ’ avy amin'ny CGTN Africa. Fampiasana ara-drariny.
Avy amin'i Oluwajomiloju Tooki, Afiyinfoluwa Akinmade ary Oluwatosin Lawrence
Fonenan’ olona 230 tapitrisa i Nizeria, firenena be solika sy harena voajanahary, mametraka azy ho firenena be mponina mainty hoditra indrindra maneran-tany. Na dia ankalazaina noho ny fahasamihafàny, ny kolontsainy mavitrika ary ny halonaky ny tany aza, Nizeriana maro no miatrika fanamby isan'andro noho ny fitotonganan'ny firenena haingana dia haingana — toe-karena ahitana fiakaram-bidim-piainana, fahamaroan'ny tsy an'asa ary fahakelezan'ny fitomboana ara-toekarena — fiakaran'ny vidim-piainana mahatratra 33,88 isanjato tamin'ny volana Oktobra 2024 .
Anisan’ny mampirongatra ny fidangan’ny vidim-piainana ao amin’ity firenena Afrikanina tandrefana ity ny fanesorana ny famatsiam-bola amin'ny solika tato anatin’ny taona vitsivitsy izay nitarika ny fiakaran’ny vidin-tsolika, niteraka fiantraikany maharitra izay nampiakatra be ny saran-dalana sy ny vidin’ny entana ilaina andavanandro. Nanosika ny maro hikaroka solika hafa ho an'ny fiara izany fanovàna izany, satria safidy mbola manjaka ao amin'ny firenena ny lasantsy.
Nipoitra ho safidy malaza ho an'ny Nizeriana maro ny etona voajanahary nafintina (CNG) noho ny fahamoràny sy ny famokarana azy ao an-toerana, izay mampihena ny fiankinan'ny firenena amin'ny fanafarana solika. Ny famokarana CNG dia tsotra sy ahazoana tombony , ahitana ny famintinana ny etona voajanahary ho latsaky ny 1 isanjaton'ny hadiriny amin'ny tsindry atmosferika mahazatra.
Manome tombony maro ny CNG raha oharina amin'ny solika mahazatra. Ankoatra ny vidiny ambany kokoa, dia manampy amin'ny fampihenana ny fahalotoan'ny rivotra izy, mamaha olana amin'ny fahasalamam-bahoaka. Ankoatra izay, manolotra vahaolana mahomby ho an'i Nizeria ny CNG, tsy noho ny tombontsoa ara-tontolo iainana ihany fa noho ny fanalefahana ny fiantraikan'ny fisidisidinan'ny tsenan'ny angovo eran-tany miaka-midina.
Lasa safidin'ny Nizeriana maro noho ny vidiny takatry ny maro ny etona voajanahary nafintina (CNG).
Topimason'ny fotodrafitrasa CNG ao Nizeria
Na dia mitombo aza ny fampiasana ny Etona Voajanahary Nafintina (CNG), dia mbola tsy tsara trandraka amin'ny ankapobeny ny zava-tsoa maro entiny. Iray amin'ireo mpamokatra etona voajanahary lehibe indrindra eto Afrika i Nizeria, ary manana tahirin'etona voaporofo ho 62,79 arivo miliara metatra toratelo tamin'ny taona 2021 . Na izany aza, mbola voafetra ihany ny fotodrafitrasan'ny CNG, ary vitsy monja ny tobin-dasantsy hita any amin'ireo tanàndehibe toa an'i Lagos , Abuja , sy Port Harcourt .
Famoahana ny tobin'ny CNG ao Abuja sy Lagos. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube, “ Nanokanan'ny NNPCL ny toby CNG miisa 12 tao Abuja, Lagos ” avy amin'ny TVC News Nigeria . Fampiasana ara-drariny.
Tsy mitovy ny fitsinjarana ara-jeografika ny fotodrafitrasa CNG any Nizeria, ka mora kokoa ny fidirana amin'ny tobin'ny CNG any amin'ny faritra atsimo sy andrefan'ny firenena noho izy ireo akaiky kokoa ireo orinasa lehibe misahana ny solika sy etona. Ohatra, manana tobim-pamenoana CNG betsaka kokoa ny Fanjakan'i Lagos , izay heverina ho foibe ara-toekarenan'i Nizeria. Ny orinasa toa ny Nigerian Independent Petroleum Company Plc (NIPCO Plc) sy ny Nigerian National Petroleum Company Limited (NNPC) no lohalaharana amin'ny fampivoarana ireo toby CNG any amin'ireo faritra ireo.
Politika sy fanohanan'ny governemanta
Manaiky ny governemantan'i Nizeria fa mety azo ampiasaina ho fandrehitra hafa ny etona voajanahary ka nampidirana politika sy programa maro hanohanana ny fananganana izany. Anisan’ireny hetsika ireny ny National Gas Expansion Programme (NGEP) , izay mikendry hampiroborobo ny fampiasana ny etona voajanahary ho solon’ny lasantsy sy gazoala. Kinendrin'ny fandaharan'asa ny hampitombo ny fanjifana etona voajanahary ao an-toerana amin'ny endrika isan-karazany, ao anatin'izany ny etona voajanahary nafintina ( Compressed Natural Gas – CNG), eton-tsolika Natsiranoka ( Liquefied Petroleum Gas – LPG), ary ny etona voajanahary natsiranoka ( Liquefied Natural Gas – LNG), hampiasan'ny firenena fangaron'angovo.
Tanjon’ny fanjakana amin’ny alalan’ity fandaharanasa ity ny hahatonga ny CNG ho isan’ny solika ankafizina indrindra, indrindra ho an’ny seha-pitaterana. Anisan’ny fandrisihana azo aroso ao anatin’ity Fandaharanasam-pirenena Fampiroboroboana ity ny fanampiana amin’ny fiovàna hampiasa CNG sy ny fametrahana tobim-pamenoana azy. Toy izany koa, nanomboka niara-niasa tamin'ny orinasa tsy miankina ny governemanta Nizeriana mba hanolotra ny fivadihana hampiasan'ny Nizeraina ny CNG amin'ny taha vatsiany vola. Vao haingana ihany koa ny Filoha Bola Tinubu no nanangana tobim-pamokarana etona vaovao miisa telo hampiroboroboana ny famokarana etona ao amin'ny firenena no sady mametraka fototra hanitarana ny fotodrafitrasa CNG.
Nofoanan'ny governemanta ihany koa ny haba-tseranana amin'ny fanafarana ireo kojakoja sy fitaovana hivadihana hampiasa CNG, izay midika fa azo atao tsy ho an'ny orinasa ihany ny dingana rehetra amin'ny fiovàna fa ho an'ny olon-tsotra ihany koa. Nanomboka tetikasa fitaratra ihany koa fanjakana sasany izay namadika ny fiara fitateram-bahoaka handeha amin'ny CNG. Ny zava-misy ankehitriny dia na dia eo aza ny ezaka, ilaina ny politikam-pirenena amin'ity sehatra ity, handrisihana tsara kokoa hanafainganana ny fampiasana manerana ny firenena ny CNG.
Fanamby makakana ny maro hivadika fandrehitra
Na dia mibaribary aza ny fahalianana amin'ny CNG noho ny tombontsoa maro azo avy aminy, dia misy sakana maromaro tsy ahafahana mampiasa azy kokoa any Nizeria.
Ny sakana lehibe indrindra dia ny fahavitsian'ny isan'ny tobim-pamatsiana CNG : ankoatra ny tanàndehibe toa an'i Lagos, Abuja, ary Port Harcourt, dia vitsy dia vitsy ny tobim-pamenoana CNG ao amin'ny firenena, ary mampatahotra ny mety ho mpampiasa azy izany zava-misy voafetra izany.
Ny antony lehibe hafa indrindra dia ny saran'ny fiovana ho CNG : Ny fitaovana ilaina amin'ny fiovana dia eo anelanelan'ny NGN 700.000 (452 USD) ka hatramin'ny NGN 1,8 tapitrisa (1.162 USD tamin'ny fotoana nanoratana) ao amin'ny tranokala E-varotra malaza, jiji.ng , izay tsy takatry ny ankamaroan'ny tompona fiara any Nizeria. Ny saram-panombohana lafo be toy izany dia mety tsy ho takatry ny mpamily tsirairay na mpandraharaha madinika izay tsy hahazo renivola toy izany.
Ny antony fahatelo manan-danja indrindra dia ny tsy fahampian'ny fahafantarana sy ny tsy fahampian'ny fanabeazana: Tsy mahafantatra ny CNG sy ny tombontsoa marobe aterany ny ankamaroan'ny Nizeriana raha oharina amin'ny arina sy ny solika nentim-paharazana. Misy ny hevi-diso malaza fa tena mampidi-doza ny CNG, nefa azo antoka kokoa noho ny solika mahazatra ny CNG. Mila ampahafantarina amin’ny alalan'ny fanabeazana ny vahoaka momba ny CNG mba hialana amin'ny ankamaroan’ireo olana ireo.
Na dia eo aza ny fandrosoan'i Nizeria, afaka maka lesona sarobidy avy amin'ireo firenena nahomby tamin'ny fampiasana ny CNG ny firenena.
Ohatra, midera tena India ho be fiara indrindra mandeha amin'ny CNG , manana fiara 1,8 tapitrisa eo ho eo mandeha amin'ilay fandrehitra. Nametraka politika mahomby ihany koa ny governemanta Indiana, toy ny tsy maintsy ampiasana CNG ho an'ny fitateram-bahoaka, mba hiantohana ny fitsinjarana bebe kokoa. Torak'izany koa, nahomby tamin'ny famadihana ampahany betsaka amin'ny fiarany handeha amin'ny etona voajanahary i Brezila tamin'ny alàlan'ny fandrisihana sy fampivelarana ny fotodrafitrasa CNG efa mandroso tsara.
Ao amin'ireo firenena roa ireo, nitana anjara toerana lehibe tamin'ny fanaovana ny CNG ho enti-manamory ny fampiasam-bolam-panjakana amin'ny fotodrafitrasa CNG sy ny fandrisihana ara-bola hiova fandrehitra. Nahafahana nihoatra ireo sakana tany am-boalohany ny fizakàna matanjaka avy amin'ny governemanta, sy ny fanentanana fampahafantarana. Afaka maka tahaka ireo paikady ireo i Nizeria amin'ny alàlan'ny fanafainganana ny fivelaram-potodrafitrasa, manolotra fandrisihana ara-bola manintona kokoa, manao fanentanana hanabeazana ny vahoaka momba ny tombontsoa azo avy amin'ny CNG.
Raha mbola mitopatopa ao anatin'ny olany ara-bola i Nizeria, dia mety ho dingana lehibe mankany amin'ny fanamaivanana ny trosa ny fandraisana ny CNG ho loharanon'angovo voalohany ary manorina ihany koa hoavy mamiratra sy lovainjafy kokoa.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/01/09/173320/
|
Tafa nifanaovana tamin'ilay mpanoratra ny rakibolana vaovao Frantsay-Éwé ao Togo
| 2025-01-09T11:54:45
|
Unknown
|
Ao Afrika Andrefana, efa misy izao ny rakibolana iray Frantsay-Ewé azo raisina ho fanamoràna sy hanosehana ny fianarana io fiteny io izay ampiasaina betsaka ao Tôgô.
Voasokajy ho ao anatin'ny fianakaviamben'ny fiteny nizerô-kôngôley ny fiteny éwé izay ampiasaina ao Ghana , Togo , ary Bénin . Olona mihoatra ny 7,5 tapitrisa ireo mpiteny avondrony ao anatin'ireo firenena telo ireo izay mifampizara fombandrazana sy kolontsaina marobe. Ao Tôgô izay ampahany tena betsaka amin'ny vahoaka no miteny azy, ny fiteny éwé dia manana sata ôfisialy maha-fiteny nasiônaly, voarakitra ao anatin'ny lalàm-panorenana hatramin'ny 1975. Saingy mbola tsy lavorary ny fampidirana ilay fiteny ho ao anatin'ny rafi-panabeazana .
Jean Sovon (JS) : Nanomboka oviana ny fiteny éwé no nadika ho soratra? Hita betsaka amin'ny endrika soratra ve izy eny anivon'ny fiarahamonina tôgôley?
Kuizian Atitso Baba (KAB) : Araka ireo angona voaraiko, efa tany amin'ny 1847 ny feo éwé no natombok'ireo Alemàna mpandraharaha nipetraka tao Anlo nanodidina ny tanànan'i Keta , any amin'ny faritra Volta , tao atsimon'i Ghana. Fa nanomboka tamin'ny 1891 no natombok'ireo Alemàna J. Knùsli , Schlegel et Westermann, ny fandalinana ny fiteny éwé sy ny firaketana azy an-tsoratra, niarahan-dry zareo niasa tamin'ireo Éwé avy ao Anlo . Niafara tamin'ny fandikàna ny baiboly ho amin'ny fiteny éwé ireny asa ireny. Saingy indrisy, hatramin'izao dia tsy mbola feno ireo asa fandikàna ny fiteny éwé araka ny fomba fiasa lexicologiques et phonologiques .
JS : Ahoana no nahaterahan'ity rakibolana ity? Asam-bondrona ve izy io? Misy ve rakibolana hafa mampiasa fiteny tokana, na fiteny roa? Hisy ve dika an-tambajotra?
KAB : Ny fandrafetana ilay rakibolana Frantsay-Éwé dia natosiky ny fandinihana iray : ny fitenin'ny vondrom-piarahamonina iray no tsara indrindra entiny milaza ny maha-izy azy. Io fiteny io, raha toa halalinina, iresahana sy soratana, dia mivoatra amin'ny alàlan'ny fampidirana voambolana vaovao ho ao anatin'ny rakibolany. Tsy toy izany ny momba ny éwé, fitenin'ny vahoaka Éwé. Nahoana ireo asa lexicologiques sy lexicographiques éwé notarihan'ireo Alemàna, no mbola tsy feno hatramin'izao ny fikarohana momba ny lexicographie ary indrindra fa momba ny phonétique Éwé, no sady tsy mitodika amin'ny resaka teknika, teknôlôjia, siansa ary ny toekarena izay mitambatra ho fanoitra lafatra ho an'ny fampandrosoana ny firenena iray?
Asa nifandrimbonana ilay rakibolana Frantsay-Éwé. Ankoatra ireo olona tena nilaina nifampiresahana nandritra ireo fivezivezena nanangonana sy nandalinana voambolana, voanteny, teny teknika ary sarinteny amin'ny faritra ara-kolontsaina éwé, dia nahazo tombony aho tamin'ny fiarahana niasa akaiky tamin'ny profesora Joseph Koffi Nutәƒe TSIGBE sy ny zokiolona Gédéon ASI izay niaraka nanorina ilay ivontoerana Éwé antsoina hoe Institut de Recherche en Communication Endogène de Développement (IRCED) ary ny fiarahana niasa tamin-dramatoa vadiko Akoele Aziakor.
Efa ela talohan'ny namoahana ilay asako no efa nisy rakibolana amina fiteny roa navoaka: Wörterbuch der Eẇe-Sprache: Éẇé Deutsch Eẇé Wörterbuch, (Rakibolan'ny fiteny Éwé: Rakibolana Éwé-alemàna-Éwé) navoakan'i D. Westermann tamin'ny 1905 ; Rakibolana Frantsay-Éwé Togo navoakan'i K. Adzomada ; Rakibolana Éwé-Frantsay nosoratan'i Jacques Rongier, frantsay iray mpahay momba ny fiteny.
Hatreto, tsy mbola misy ny rakibolana amin'ny fiteny tokana Éwé-Éwé. Ary tsy mbola nosaintsainin, hatreto, ny hametraka rakibolana Frantsay-Éwé ety anaty tambajotra. Na izany aza, eo an-dalam-pananganana ny tranonkala iray ho fampiroboroboana ny fiteny éwé amin'ny fampianarana azy an-tambajotra.
Ao anatin'ity tatitra an-dahatsary ity, resahan'i Kuizian Atitso Baba koa amin'ny tariky ny VOA Afrique ny hetsika nataony.
JS : Iza avy ireo tena mpampiasa ity rakibolana ity?
KAB : Ity rakibolana Frantsay-Éwé amin'izao fotoana izao ity dia natao indrindra indrindra ho an'ireo mpanatanteraka ao anivon'ny fitantànan-draharaha ambony ao Tôgô sy ireo zanaka am-pielezana mpiteny éwé. Eny tokoa, azo lazaina ho tsy misy eny amin'ireo trano fivarotamboky sy famakiana boky ireo boky fianarana éwé. Ny éwé mitovy amin'ireo taranja sasany toy ny filôzôfia, ny injenieria, ny literatiora, ny matematika, ny aritmetika, ny kajy, ny teny toy ny hoe mpitsara, vaditany dia tsy hita anatin'ireo boky zara raha misy na ireo antontan-kevitra. Vokany, mamatotra ireo mpiteny éwé ny fiteny vahiny izay, araka izany, mamorona hantsana eo amin'ireo sangany eny anivon'ny fitantanana ambony ao Tôgô sy ny vondrom-piarahamonina niavian-dry zareo etsy andaniny , ary eo amin'ireo mpiteny zanatany éwé nonina na teraka tany ivelany sy ny vondrom-piarahamonina niaviany.
JS : Nahazo ny fanohanan'ireo manampahefana amin'ny fampianarana ao amin'ny firenena ve ilay hetsika? Inona no dingana manaraka?
Ho famoahana ny dika nohavaozina ho avoaka manaraka dia nitohy indray ny asa fanitsiana an'ilay rakibolana. Araka izany, ho tafiditra ao anatin'ilay dika nasiam-panitsiana ireo voambolana vaovao sy fomba fiteny natolotr'ireo mpampiasa ilay rakibolana Frantsay-Éwé. Mifanindran-dàlana amin'ilay dika nasiam-panitsiana hivoaka dia an-dàlam-piketrehana ireo asa ho fandrafetana rakibolana iray mampiasa fiteny roa Éwé-Frantsay sy rakibolana iray mampiasa fiteny tokana Éwé-Éwé.
JS : Voatazona eny anivon'ireo zanaka am-pielezana ve ny fiteny éwé?
KAB : Na eo aza ny azo lazaina ho tsy fisian'ny boky amin'ny fiteny éwé, tohizan'ireo teratany mpiteny éwé monina any ivelany ny fitenanana ny éwé, saingy misy voambolana sy teny tsy ananan-dry zareo mitovy amin'ny voambolana sy teny frantsay, anglisy na alemàna
|
https://mg.globalvoices.org/2025/01/08/173235/
|
Ny fahateraham-baovaon'ny rhumba sy ireo mpiangaly mozika mitondra azy ho an'ny andian-taranaka iray vaovao mpitia mozika
| 2025-01-08T07:37:39
|
Unknown
|
Rehefa nanomboka namoaka ireo lahatsarin-kirany sy ny dihiny ilay Keniàna mpanao tiktok @Veroansalt (ny tena anarany: Veronica Otieno) tamin'ny nihiràny ilay gadona rhumba kôngôley malaza tamin'ny 2021, avy hatrany dia lasa zava-nahaliana ilay lahatsary novokarina tao an-trano, izay ahitàna fihogo iray (natao mikrô) naraikitra tamin'ny tahona mikrô.
Nampitolagaga ireo mpankafy azy i Veronica, vehivavy mpankafy rhumba, izay toa eo amin'ny faha-roapolo taonany, noho ny fahaizany ilay karazana mozika rehefa mihira izy, ara-bakiteny, tamin'ireo fahombiazana maoderina sy klasika toy ny Mario sy Mamou an'i Franco, RTC Riva an'i Madilu System, Kamasutra an'i Ferra Gola ary ny Nadina an'i Mbilia Bel, ankoatra ny hafa maro. Ny sasany amin'ireo lahatsariny aza dia ahitàna dikanteny ho amin'ny fiteny anglisy avy amin'ireo hira izay ny ankamaroany dia amin'ny fiteny lingala . Nahatonga azy hahazo ny fon'ireo zokiolona mpankafy ilay karazana mozika izany, izay ny ankamaroany dia nahita tamin'ny alàlan'ireo lahatsariny TikTok ny dikan'ireo hira marobe izay nohirain-dry zareo hatrizay.
Veronica no feo TikTok ho an'ny andian-taranaka Y sy ny andian-taranaka Z — mpankafy izay nahita fomba iray vaovao hihainoana, hizaràna ary hanehoana ny fitiavany karazana mozika iray izay tsy isalasalàna fa ny gadona sy ny filantony dia nanetsika ireo ray aman-dreny sy raibe ary renibe. Karazana mozika iray miavaka amin'ny fifangaroan'ny gadona avy ao Amerika Latina sy Afrika, miaraka amin'ny gitara sy amponga mitàna anjara toerana goavana ao anatin'ny fandrindràna zavamaneno.
Tato anatin'ny taona vitsivitsy farany, nisy fitomboany indray ny fahalinana amin'ny rhumba , indrindra fa eny anivon'ireo andian-taranaka tanora ao Afrika, manokana amin'izany ny ao Afrika Atsinanana. Ireo mpiangaly mozika ankehitriny ao Kenya, Tanzania & Repoblika Demaokratikan'i Kôngo, dia manafangaro ny feo nentindrazan'ny Rhumba amin'ireo endrika mozika maoderina, mahatonga azy hahasarika ireo mpihaino tanora kokoa . Io Rhumba nampanarahana ny toetrandro io, izay mitazona ny endriny nentindrazana no sady mandray ireo feo vaovao, dia nahasarika ireo mpankafy fahiny sy vaovao an'ilay karazana mozika.
Hatrany Kôngô ka hatrany Kiobà, mandalo amin'ny ambiny sisa ao Afrika
Ny fiavian'ny rhumba dia tany amin'ilay fanjakana Kongo fahiny izay fantatra amin'izao fotoana izao amin'ny anarana Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC) sy Congo-Brazzaville tany amin'ny taona 1940 tany ho any. Ireo Afrikàna nandevozina no nitondra azy ho any Kiobà, ary dia niparitaka tany amin'ireo faritra hafa tao Karaiba sy Amerika Latina ilay gadona afrikàna, toerana nampifandrindràna azy ary nianjadian'ireo endrika mozika tao an-toerana. Hatramin'ny taona 1940, tsy nitsahatra ny nivoatra ilay karazana. Tao Kenya, Ogandà ary Tanzania, Lingala no anarana nahafantarana azy, satria amin'ny fiteny lingala ny ankamaroan'ny hira.
Tany amin'ny taona 1970s sy 1980s, nibahan-toerana teo amin'ny sehatry ny mozika keniàna ny rhumba, niaraka tamin'ireo mpanakanto nalaza toa an'i Franco Luambo, Tabu Ley Rochereau sy Madilu System nahasarika olona marobe tamin'ireo fampisehoana nivantana nataon-dry zareo. Ny fiharatsian'ny toedraharaha pôlitika tao Zaira tany amin'ny taona 70 dia nitondra ho amin'ny fifindramonin'ireo Kôngôley mozisiàna ho any Kenya. Nentin-dry zareo nanaraka azy ny fomba tokamiavaka fiangaliny mozika izay niteraka traikefa mozikaly iray vaovao sy nampientam-po. Tany amin'ny tapaky ny taona 70 tany ho any, marobe ireo tarika kôngôley nilalao soukous tany amin'ireo trano fandihizana amin'ny alina tao Kenya. Lasa anarana nahazatra ny an'ireo tarika sy mozisiàna toa an-dry Arlus Mabele, Loketo, Awilo Longomba, Pepe Kale ary Kanda Bongo Man.
Niparitaka nanerana an'i Afrika ny lazan'ny Soukous ary namela dindo goavana tamin'ireo karazana mozika afrikàna maoderina malaza, indrindra fa ny highlife tao Ghana, ny mozika Taarab avy amin'ny morontsiraka atsinànan'i Afrika sy ny Makossa – karazana mozika kameroney an-tanandehibe izay nahita fahombiazana goavana tany amin'ny taona 1980 tany.
Very tany amin'ny taona 90 ary nipoitra indray
Tany amin'ny taona 1990, niaraka tamin'ny firongatry ny gadona hip-hop, ny reggae jamaikàna sy ireo karazany maoderina hafa, nihena ny dindon'ny rhumba ary very ny fahalinana taminy teny anivon'ny andian-taranaka iray vaovao nisy ireo mpihaino sy ireo fambara izay nahita firindràna misimisy kokoa tany amin'ny Tupac, TLC sy Bob Marley fa tsy ny rafitra Madilun.
Tao anatin'ny taona dimy farany, ny rhumba dia lasa ampahany iray manandanja tamin'ny sehatry ny mozika tao Afrika Atsinanana sy Afovoany, indrindra fa teny anivon'ny taranaka tanora. Io fihavaozan'ny karazana io dia noho ny singa marobe. Raha maro ireo tanora no miezaka mifandray amin'ny fototra ara-kolontsain-dry zareo, ny rhumba dia manome indray traikefa ara-mozika miavaka sy mampientam-po ho an'ireo tanora mba hifamatorana indray amin'ireo endriky ny kolontsainy izay tsy afaka ho hitany ao anatin'ny mozika pop maoderina.
Ny fipoiran'ny andian-taranak'ireo mpiangaly rhumba izay mampiditra karazana feo vaovao dia mahatonga ity farany ho mahasarika kokoa ireo tanora mpihaino. Ary, toa an'i Veronica, ampiasain-dry zareo ihany koa ireo sehatra media sôsialy toy ny YouTube, TikTok sy Instagram mba hanakaikezana mpihaino midadasika kokoa ivelan'ny sisintanin-dry zareo.
Amin'ireo mozisiàna ankehitriny mpiangaly rhumba nitondra ilay fipoirana indray, dia ahitantsika an'i Ferre Gola, Barbara Kanam, WerraSon sy Fally Ipupa, avy any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô. Ao Tanzania, Diamond Platnumz, Ali Kiba sy Harmonize no mitondra mozika rhumba misy tsirona Bongo maoderina. Avy ao Kenya, Sauti Sol Wanavokali, Okello Max, Bensol, Nviiri, Ssaru sy Amyloto no mampiditra ny rhumba ho ao anatin'ny endrika afro-pop fiangalin-dry zareo.
Eo amin'ny sehatry ny mozika, ireo klioba sy ireo kaonseritra ao Kenya dia mitovy indray amin'ireo tany amin'ny taona 70. Ary, tahàka ny fomba nitarihan'i Franco Luambo, Tabu Ley Rochereau sy Madilu System ireo olona marobe ho amin'ny kaonseritra nataon-dry zareo, efa namidy andro maro nialoha ny tapakila ho an'ny fampisehoana nataon'i Sauti Sol, Fally Ipupa sy Diamond Platnumz. Mandrakotra indray ireo klioba malaza ny mozika rhumba, raha tsy mitsahatra ny mitombo toy ny fanirin'ny holatra koa ireo toerana ahafahana mianoka mivantana ny mozika rhumba manerana an'i Kenya. Azon'ireo Kôngôley efa za-draharaha mpiangaly mozika atao indray izao ny milalao mivantana ireo hira malaza mba ho afaka handihy ireo mpakafy an-tambajotra an'i Veronica.
|
https://mg.globalvoices.org/2025/01/03/173222/
|
Ny mozikany no nampahalaza ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô
| 2025-01-03T07:21:09
|
Unknown
|
Tena marobe ireo mpanakanto sy vondrona, avy amin'ny zom-pirenena isankarazany miampitampita sisintany eo anelanelan'i RDC sy Kôngô, no mandray anjara amin'ny fampamirapiratana erantany ny mozikan'ilay firenena. Isan'ireo mpisava làlana ry Grand Kallé, izay ny hirany malaza dia nanamarika ny fanahin'ireo fahaleovantena afrikàna niaraka tamin'ilay hira malaza hoe “ indépendance Cha Cha “.
Tabu Ley , anarana iray hafa goavana, na Franco izay olomalazan'ny mozika ihany koa tao RDC niaraka tamin'ilay hirany mahazatra hoe “ Mario “:
Abeti Masikini sy Tshala Muana dia mipetraka eo amin'ny fihaonan-dàlan'ireo andian-taranaka voalohany sy faharoa, izay taty aoriana dia tonga nanjohy an-dry zareo teo ny tarika Zaïko Langa Langa , King Kester Emeneya , Jean-Serge Essous , Madilu System , Édouard Nganga , Théo Blaise Kounkou , Mbilia Bel , Simaro Lutumba , Koffi Olomidé , sy ilay tena malaza be Papa Wemba nomena anaram-bosotra ho “Mpanjakan'ny Sape “.
Indro ny lahatsarin'ny hiran'i Papa Wemba hoe “ Yolele ” :
Misy andian-taranaka fahatelo ivondronan'ireo mpanakanto toa an'i JB Mpiana , Werrason , Ferre Gola , Fally Ipupa . Ankehitriny ity farany dia heverina ho ny mozisiàna mahomby indrindra ao RDC satria milalao anaty rejisitra mozika marobe ankoatry ny rumba izay anànany anaram-boninahitra maro ihany koa.
Indro ny lahatsarin'ny hiran'i Fally Ipupa hoe “ Alliance ” :
Any ambadiky ny sisintanin'i Congo Brazzaville, Youlou Mabiala , Aurlus Mabélé , isan'ireo mpisava làlana goavan'ny karazana soukous, ry Doudou Copa , Roga-Roga koa dia nanoratra pejy nahafinaritra tamin'io mozika ifampizaràna amin'i RDC io.
Marina fa manana ny endrika maha-izy ny mozikan'i RDC, saingy azo lazaina ho mitàna anjara toerana pôlitika ihany koa izy. Ny fipetrahan'ilay mpanakanto Grand Kallé voatanisa ery ambony miaraka amin'ilay hirany “Indépendance Cha Cha”, lasa hira fampivondronana ireo mpanohitra fanjanahantany tao RDC sy nanerana an'i Afrika, no ohatra tsara indrindra amin'izany. Ao amin'ny firenena, ny mozika ihany koa dia fitaovam-panoherana , indrindra fa teo ambanin'ny fitondràn'i Mobotu Sese Seko (filoha teo anelanelan'ny 1965 sy 1997) izay nanakianan'ireo mpanakanto sy niampangàny ny kolikoly ary ny famoretana . Nivoy hafatra sôsialy marobe ihany koa ny mozika, momba ny fifanampiana sy ny fahaizana miara-miaina anaty fiarahamonina.
Tohizan'i RDC hatrany ny mihavao amin'ny lafiny mozika tato anatin'ny taona vitsivitsy farany, tamin'ny fampidirana ireo karazany roa amin'ny mozika afrikàna: ny amapiano avy any Afrika Atsimo, sy ny afrobeat na afro-pop avy any Nizerià. Anisan'ny ao anatin'ny fironana manao ny amapiano ilay mpanakanto RJ Kanierra , miaraka amin'ilay hirany hoe “ Tia “, nivoaka tamin'ny Septambra 2023, ary efa nahavory mpijery 51 tapitrisa mahery ao amin'ny YouTube.
Indro ny lahatsarin'ny “ Tia “:
Ny afrobeat ao RDC dia ireo mpanakanto toa an'i Gaz Mawete na koa i Innoss'B no mivoy azy.
Indro, ny lahatsarin'ny iray amin'ireo hiran'i Innoss'B mitondra lohateny hoe “ Olandi ” izay efa nahavory mpijery mihoatra ny 53 tapitrisa ao amin'ny YouTube.
Ireo feom-behivavy hafa: M’bilia Bel , Nathalie Makoma miaraka amin'ny tarika misy azy ; ary ny feon-dehilahy: Lokua Kanza , Ray Lema , Jean Goubald dia isan'ireo masoivohon'ny RDC eo amin'ny sehatry ny mozika, izay manaporofo ny fahaiza-mamorona sy ny fihavaozana tsy mitsahatra.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/29/173066/
|
2024, fotoam-pifidianana efa ho roapolo no nanamarika azy tao Afrika
| 2024-12-29T05:01:46
|
Unknown
|
Saripika mampiseho ny andron'ny fifidianana tany amina firenena mampiasa sy miteny frantsay, tamin'ny 2024: Saripika an'i Jean Sovon
Nandritra ny taona 2024, niaina tetiandrom-pifidianana tena tototra i Afrika: nisy fifidianana filoham-pirenena, mpanao lalàna, ary fitsapankevi-bahoaka voaomana hatao tany amina firenena mihoatra ny roapolo ao amin'ilay tanibe, isan'izany ny tany amina firenena ampolony mampiasa sy miteny frantsay. Saingy nofoanana na nahemotra ny sasany tamin'ireny fotoana nifanomezana hanaovana fifidianana ireny.
Fifidianana ho filoham-pirenena feno fanamby goavana
Ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay, ny 14 Janoary 2024 no natao ny fifidianana voalohany izay ho filoham-pirenena tao Kaomôro, filoha hitondra mandritra ny 5 taona , azo havaozina in-dray mandeha. Ny 16 Janoary 2024, izany hoe andro roa taorian'ny fifidianana, ireo vokatra navoakan'ny Commission électorale nationale indépendante (CENI) dia nanamafy an'i Azali Assoumani teo amin'ny toerany hitondra fanindroany indray. Ny 17 Janoary 2024, ny ampitson'ny nanambaràna ny valim-pifidianana, tapaka ny aterineto ary dia tsy afaka nifandray tamin'izao tontolo izao ny vahoaka tao an-toerana. Naneho ny ahiahiny ny fianakaviambe iraisampirenena, raha ny Firaisambe Afrikàna kosa (UA) tsy niloa-bava satria mbola i Azali Assoumani hatrany no filoha amperin'asa tao amin'ny UA hatramin'ny Febroary 2024 .
Tao Sénégal, ny 3 Febroary 2024, nanandrana nanisaka ny datim-pifidianana izay ho filoham-pirenena i Macky Sall , filoha vao avy nandao ny toerany, daty izay tany am-boalohany dia voalahatra ho ny 25 Febroary, ary natao tamin'ny 24 Mars 2024 no niafaràny. Nandraman'ny ankolafy Sall ny nibahana ny antoko mpanohitra Les Patriotes africains du Sénégal pour le travail, l'éthique et la fraternité (PASTEF), izay ireo mpitarika roa tao aminy, Bassirou Diomaye Faye sy Ousmane Sonko dia samy voatàna tany am-ponja , iry voalohany dia efa hatramin'ny Aprily, ary ny faharoa dia ny Jolay 2023. Noravàna mihitsy aza moa ny antoko PASTEF . Saingy resin'ny fahatapahan-kevitr'ireo tanora hanisy fanavaozana ny lohan'ny firenena ny sivana ara-pôlitika, araka ny hazavain'ity lahatsoratra ity . Taorian'ny 64 taona nahazoany fahaleovantena, mitoetra ho ohatra iray sy lasitra demaokratika i Senegal ao Afrika Andrefana, faritra iray izay iarahan'ny demaokrasia sy ny jadona monina.
Tany Tchad, ny fodiamandrin'i Idriss Déby Itno , filoha fahiny tao amin'ilay firenena, tamin'ny 20 Aprily 2021 sy ny famoretana nataon'ny fitondràna jadona an'ireo fihetsiketsehana dia nanery ilay mpanohitra Succès Masra handeha hiaina an-tsesitany tamin'ny Novambra 2022. Kanefa ity farany, tamin'ny 1 Janoary 2023, dia praiministra notendren'i Mahamat Idriss Déby Itno, zanakalahin'ny filoha teo aloha, izay nandimby an-drainy tamin'izany toerana izany. Araka izany dia nananan'ilay mpanohitra taloha ny fahafahana hirotsaka hiatrika ireo fifidianana ho filoham-pirenena natao tamin'ny 6 May 2024. Na izany aza, ireo vokatry ny fifidianana ho filoham-pirenena dia nanambara an'i Mahamat Idriss Déby Itno ho nandresy tamin'ny fifidianana. Io fifidianana io dia mifandray ihany koa amin'ny fiovàna stratejika iray satria nialàn'ilay firenena ny fifanaraham-piarovana nifanaovany tamin'i Frantsa ary nofidiany ny fanakaikezana an'i Rosia .
Tao Maoritania, ny 29 Jona 2024 no natao ny fifidianana ho filoham-pirenena ary nahalany indray an'i Mohamed Ould Ghazouani izay efa filoha hatramin'ny 2019. Nifantoka be tamin'ny resaka fanandevozana ny fampielezankevitra – izay nofoanana saingy mbola leferina foana – izay mampizara hevitra ny ao amin'ny firenena, amin'ny ampahany dia noho ilay mpanohitra Biram Ould Dah Ould Abeid ; ary tamin'ny olan'ny kolikoly.
Fifidianana mpanao lalàna sy fitsapankevi-bahoaka
Nisy ihany koa ireo fifidiana tsy ho filoham-pirenena tao Togo (le 29 Aprily) ary Madagasikara ( 29 May) . Ny tao Madagasikara dia fanavaozana ny solombavambahoaka tonga tamin'ny fahateperan'ny fepotoana fiasàny. Manantena ny hahazo ny maro an'isa ao amin'ny antenimieram-pirenena i Andry Rajoelina , filohan'ilay firenena, taorian'ny fahalaniany fanindroany indray niteraka fanakianana maro tamin'ny Novambra 2023. Taorian'ny fivoahan'ny vokatra, ny antokon'i Andry Rajoelina no nahazo toerana 84 amin'ireo 163 solombavambahoaka hiasa ao amin'ny antenimieram-pirenena, manome azy ny maro an'isa tsy iadian-kevitra.
Ho an'ny taona 2024 dia mikarakara fifidianana solombavambahoaka ihany koa i Togo. Ny Desambra 2023, tonga tamin'ny faran'ny fe-potoana fiasàny ireo parlemantera voafidy tamin'ny 2018, saingy mbola voatazona amin'ny toerany satria miasa amin'ny fandaniana tolodalàna iray momba ny fanovàna ny lalàm-panorenana. Ny fanamafisana sy ny fampahafantarana io lalàm-panorenana vaovao io tsy asiana fitsapankevi-bahoaka dia mampiditra ny firenena ho anaty fomba fitondràna parlemantera izay tsy ny vahoaka intsony no hifidy izay ho filoham-pirenena fa ireo solombavam-bahoaka . Io fironana vaovao terena hapetraka amin'ny vahoaka tôgôley io dia miteraka fanehoankevitra mivaivay eny anivon'ny fanoherana sy ireo mpisehatra avy amin'ny fiarahamonim-pirenena. Ny ampitson'ny fifidianana solombavam-bahoaka, ny antoko Union pour la République (UNIR) an'i Faure Gnassingbé , filoha efa teo amin'ny toerany hatramin'ny 2005, no nahazo ny toerana 108 amin'ireo 113 ary noho izany, mifehy amin'ny ampahany betsaka ny parlemanta vaovao.
Gabôna, tao anaty vanim-potoana tetezamita teo ambany fitarihan'ny tafika hatramin'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 30 Aogositra 2023 , dia milaza te-hampandany lalàm-panorenana vaovao sy hanome aina vao koa ireo andrim-panjakana rehetra ao amin'ny Repoblika, izay efa noravàna teny anelanelany teny. Ny fanamafisana ho ataon'ny vahoaka amin'io volavolan-dalàna vaovao io dia tamin'ny alàlan'ny fitsapankevi-bahoaka ny 16 Novambra 2024 ka nandritra izany ry zareo Gabôney no nirohotra nifidy ny “eny”. Ao anatin'io lalàm-panorenana vaovao io, tsy afaka ny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ireo manana zom-pirenena roa ary ho an'ny olompirenena gabôney tsirairay dia tsy maintsy lalovana ny fanaovana raharaha miaramila , na lahy na vavy.
Fanemorana fifidianana tany amina firenena roa
Firenena roa ao Sahel i Mali sy Borkina-Fasô, samy mpikambana ao anatin'ilay vovonana vaovao Alliance des États du Sahel (AES) izay nisintaka tamin'ny CEDEAO tamin'ny Janoary 2024 . Tokony ho ny 2024 no natao ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tany amin'ireo firenena roa ireo, saingy ny toejavatra manokana misy any amin'ireo firenena ambany fitondràna miaramila mpanongam-panjakana ireo dia tsy ahafahana manao fifidianana. Voamarik'ireo mpanaramaso fotsiny fa ireny fifidianana ireny dia ahemotra ho amin'ny fotoana manaraka.
Raha feno ny taona 2024, misy fifidianana hafa maro mbola ho tanterahana amin'ny 2025: ao Côte d'Ivoire dia efa mihetsiketsika sahady ireo kilasy pôlitika manoloana ny firotsahana faninefan'ny filoha Alassane Ouattarra , efa teo amin'ny toerany hatramin'ny 2011.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/27/173132/
|
Nandravarava tao Mayotte ny rivodoza Chido : niatrika voina tsy nisy toy izany ny nosy
| 2024-12-27T13:00:53
|
Unknown
|
Sarin'ny mponina ketraka miezaka manarina indray ny tranony ; Notselarina tamin'ny fantsona YouTube an'ny TF1 INFO . Fampiasana ara-drariny.
Tamin'ny 14 Desambra 2024, namely an'i Mayotte [mg] ny rivodoza Chido , izay nahafatesana olona maherin'ny 30 sy faharavana tsy hita pesipesenina ao amin'ity vondronosy frantsay kely aty amin'ny Ranomasimbe Indianina [mg] ity. Mihoatra ny 200 km/ora ny tafio-drivotra nentin'io rivodoza io izay heverina ho rivodoza mahery indrindra namely an'i Mayotte tao anatin'ny taonjato iray.
I Mayotte moa dia rafetin'ny nosy maromaro atsinanan'ny vondronosy Kaomoro [mg], avaratry ny Lakandranon'i Mozambika [mg] ary avaratrandrefan'i Madagasikara [mg] aty amin'ny Ranomasimbe Indianina [mg]. Ny mponina ao dia antsoina hoe Mahorais ary ny fiteny eo an-toerana dia ny Mahorais S imaôre [mg] sy ny Shibushi [mg]. Frantsay hatramin'ny nanjanahana azy tamin'ny avrily 1841 ity nosy antsoin'ny mahorais hoe Maoré ity. Lasa departemanta frantsay faha-101 izy tamin'ny taona 2011 , ary faritra frantsay amp itan-dranomasina sady fari-piadidiana maningana . Iray amin'ireo faritra mahantra indrindra ao Frantsa i Mayotte, ary miaina an-tranobarìka ny ampahany betsaka amin'ny mponina miisa 300.000 ao aminy araka ny asehon'ity lahatsary ity:
Voina mahazo ny olona sy fahasimbàna ara-pitaovana
Araka ny fanisana nataon’ny minisiteran’ny atitany , dia 35 no maty ary 67 no naratra mafy ary 2.432 no naratra kely tamin'ity voina nahazo ny nosy ity. Toa kely ihany raha jerena amin'ireo olona an'aliny maro monina ao amin'ity vondronosy ity, izay maro amin'izy ireo no monina an-tranobarìka izay ravan'ny rivodoza tanteraka .
Nobaikon'ny préfet ny sous-préfet hanangana iraka ikarohana ireo maty. Nampahafantatra tao amin'ny France 24 Atoa Emmanuel Macron , Filoha Frantsay, fa mety ho betsaka lavitra ny isan'ny niharam-boina ary mampanantena izy fa hametraka tombana voafaritra tsara:
Pour établir le bilan définitif, les autorités ont diligenté une mission de recherche, confiée à des gendarmes. Avec ce travail d'enquête, notamment dans les bidonvilles, “on va pouvoir identifier, je pense et je l'espère, des victimes supplémentaires, leur mettre un nom, pouvoir leur rendre hommage et obtenir la vérité des chiffres
Mba hamaritana ny tombana farany, nanangana iraka fikarohana, nankinina tamin’ny zandary ny manampahefana. Amin'ity asa famotopotorana ity, indrindra any amin'ny faritra be tranobarìka, “Heveriko ary antenaiko fa azo fantarina ireo niharam-boina fanampiny, azo ny anarany, azo omena voninahitra ary azo ny tarehimarika marina.
Trano maro no rava ary simba ny fotodrafitrasa tena ilaina, ka niteraka fanelingelenana tamin'ireo servisy voalohany ilaina toy ny fahazoana rano fisotro. Manampy trotraka izany ny olana ara-pifandraisana sy ny fahatapahan-jiro. Manasarotra ny asa famonjena ny karazan'antsanga manototra ny arabe. Mihavitsy ny rano sy ny sakafo, ary mandrahona ny mponina Mahoraise ny voina ara-pahasalamana .
Fiatrehan'ny mponina ao an-toerana
Ao amin'ity lahatsary France 24 ity, manazava ny Maorais iray monina ao #Kaweni fa avy hatrany dia mandray andraikitra hanamboatra ny tranony izy, ary nilaza hoe:
“On ne nous aide pas, on ne nous donne rien”
“Tsy manampy anay ireo, tsy omena na inona na inona izahay”
Amin'ity lahatsary manaraka ity ny Maorais namela ny hirifiriny hivoaka :
Tao amin'ny zoro fanehoan-kevitra amin'ity lahatsary ity, namela ny hafany i Soihabati Moussa Ali, mpisera Facebook iray:
Capture d'écran du commentaire
Tena manohina tokoa ny hafatrareo… lalina ny fahatsapana ho navelan'ny fanjakana. Mifikira… Inchallah handresy [isika]
Fiatrehan'ny manam-pahefana
Nametraka haingana ny vonjy taitra ny governemanta frantsay, izay niara-niasa tamin’ny tompon’andraiki-panjakana ao Mayotte sy La Réunion ho fanampiana ireo mponina traboina. Napetraka ny tetezana an'habakabaka handefasana fanampiana noho ny hamehana any Mayotte. Polisy sy mpamono afo manodidina ny 800 no nalefa handray anjara amin'ny asa famonjena, hiantoka ny filaminana ary handrindra ny fampitaovana.
Nitondra fanampiana ho an’ny mponina ny nosy La Réunion [mg] sy ny tanibe taorian’ny fangatahan’ny prefektioran’i Mayotte sy La Réunion. Vetivety dia napetraka ny rojom- pitia tsy mba hetra sy firaisankinam-pirenena mba hamaliana ny hamehana ara-pitsaboana sy ara-pahasalamana.
Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Journal du Dimanche , nanambara i Bruno Retailleau , minisitry ny Atitany eo am-pametra-pialana hoe:
Mayotte, c’est la France et je peux vous assurer que la France mobilise des forces civiles et militaires considérables. Le pont aérien a atteint sa pleine capacité : 50 tonnes d’eau, de denrées, de matériel arrivent chaque jour à Mayotte (…) C’est un travail titanesque que la France est en train de mener
Mayotte, Frantsa io ary afaka manome toky anareo aho fa efa manetsika hery sivily sy miaramila maro i Frantsa. Miasa feno ny fiaramanidina: tonga isan'andro any Mayotte ny rano 50 taonina, sakafo, fitaovana (…) Asa goavana ataon'i Frantsa izany.
Tao amin'ny kaonty X (ex-Twitter), notanisainy ireo fepetra efa noraisina tamin'ny 20 Desambra,:
Une réunion de crise présidée par le Président de la République s'est tenue ce matin.
Déjà 80 tonnes d'alimentation et 50 tonnes d'eau ont été distribuées dans 9 communes hier. Les 8 autres communes de Mayotte seront quant à elles livrées aujourd'hui. Voie aérienne, voie maritime, dispositif de production d'eau de la sécurité civile, tout est mis en place pour permettre de distribuer 600 000 litres d'eau par jour, soit 2 litres par Mahorais. L’eau sera raccordée ce soir sur la quasi-totalité du territoire avec un réseau alimenté 2 jours sur 3 sur tous les secteurs pendant 8h.
Aujourd'hui, ce sont 1000 gendarmes et plus de 800 policiers qui sécurisent les distributions de vivres, les magasins, les banques, les stations-service, des routes. Ils seront rejoints demain par 200 nouveaux gendarmes.
Merci à tous les services de l’État mobilisés sans qui ces nouvelles encourageantes ne pourraient être possibles.
pic.twitter.com/a6vsiBCxNQ
— Bruno Retailleau (@BrunoRetailleau) December 20, 2024
Notanterahina androany maraina ny fivoriana miatrika krizy notarihin’ny filohan’ny Repoblika.
Efa nisy sakafo 80 taonina sy rano 50 taonina nozaraina tamina kaominina 9 omaly. Homena anio kosa ny an'ny kaominina 8 ao Mayotte. Zotra an'habakabaka, zotra an-dranomasina, rafi-pamokarana rano ho an’ny filaminam-pirenena, efa natao avokoa izay rehetra azo natao izarana rano 600.000 litatra isan’andro, izany hoe 2 litatra isaky ny Mahorais iray.
Ho tafaverina saika manerana ny faritany ny rano anio hariva ka hofahanana 2 andro amin’ny 3 ny tambajotram-pamatsiana amin’ny sehatra rehetra mandritra ny 8 ora.
Ankehitriny zandary 1.000 sy polisy maherin’ny 800 no miantoka ny fizarana sakafo, miambina ny fivarotana, banky, tobim-pahasalamana ary lalana. Hanatevin-daharana azy ireo rahampitso ny zandary vaovao miisa 200.
Misaotra ireo sampan-draharaham-panjakana rehetra nihetsika fa raha tsy izany tsy nisy an'io vaovao mampahery io.
Nandeha nankany Mayotte i Emmanuel Macron ny 19 ka hatramin'ny 20 Desambra 2024 hijery ny halehiben'ny fahasimbana sy ny halalin'ny fahoriana. Nandritra io fitsidihana io nataony antsipiriany ireo dingana telo ahafahan’ny vondronosy miarina aorian’ny voina: miatrika manoloana ny hamehana, mampitombina sy manamafy ny ezaka, manorina indray an’i Mayotte.
Maneho ny firaisankinany amin'ny Mahorais ny filoha Emmanuel Macron Ao amin'ny tambajotra X :
Ce que traversent les Mahorais est dramatique. À la douleur du deuil, aux traumatismes, s’ajoutent d’immenses défis.
Face à l’urgence, nous mobilisons tous les moyens nécessaires et reconnaissons l’état de catastrophe naturelle.
L’État restera à leurs côtés.
— Emmanuel Macron (@EmmanuelMacron) December 19, 2024
Mampivarahontsana ny zavatra iainan’ny Mahorais. Manampy trotraka amin'ny hirifirin'ny fisaonana, amin'ny ratram-po ny fanamby goavana.
Manoloana ny hamehana, hetsehinay avokoa izay fitaovana/fomba rehetra ilaina ary ankatoavinay ny toetry ny loza voajanahary.
Ho eo anilany ny Fanjakana.
Nisedra ny hatezerana sy ny famoizam-pon'i Mahorais tsy manana na inona na inona intsony amin'ny ankapobeny i Macron . Voatsikeran'ny sasany any Frantsa tanibe ihany koa ny fihetsiny: nanoratra tao amin'ny kaontiny X i Hadrien Clouet , depioten'ny La France Insoumise ao Haute-Garonne :
Ce n'est pas un président mais un administrateur colonial.
Il a liquidé la délégation interministérielle aux risques majeurs en Outre-Mer, le choléra est revenu en mai, 30% des gens ne sont pas raccordés à l'eau… et Tintin veut se faire applaudir à #Mayotte !
Tsy filoha io fa mpitantana fanjanahantany.
Nofoanany ny delegasiona iraisan'ny minisitera maro misahana ireo mety ho voina lehibe ampitan-dranomasina, niverina ny kôlera tamin'ny volana mey, tsy mahazo rano ny 30%-n'ny olona… nefa te-hotehafana ao Mayotte i Tintin!
Ao amin'ny kaonty X an'i Arrêt sur Image , fampitam-baovao ira y mahaleotena, i Jacqueline Guez , feminista mpanatontosa fandaharana, mitaraina amin'ny tsy fisian'ny fitantarana na dia efa 48 ora mahery aza no nambara mialoha ny rivodoza Chido ao Mayotte.
Si l'arrivée du cyclone Chido à Mayotte était prévue depuis plus de 48 heures, les médias n'ont pas changé leur programme pour autant. Un manque de couverture qui, selon Jacqueline Guez, illustre une habitude des médias : faire de Mayotte un non-sujet.
Na dia efa nambara 48 ora mahery mialoha aza ny fahatongavan’ny rivodoza Chido ao Mayotte dia tsy nanova ny fandaharany ireo fampitam-baovao. Tsi-fisiam-pitantarana izay, araka ny voalazan'i Jacqueline Guez, maneho ny fahazaran'ny fampitam-baovao: tsy resahina izany Mayotte izany.
Matahotra ny hiharatsian'ny toe-javatra mahazo ny olona ny manampahefana ao an-toerana, amin'ny mety hitomboan'ny mosary, ny areti-mifindra kôlerà ary ny fandrobàna. Manasarotra ny fitsinjaràna fanampiana ny fahapotehan'ny fotodrafitrasa, ary manakana ny fidirana amin'ny fialofana sy ny fitsaboana ny tsy fahatokisan'ireo mpifindramonina tsy ara-dalàna ireo manampahefana.
Nahariharin'ny rivodoza Chido ny faharefoan'ireo nosy miatrika toetr'andro mahery vaika , amafisin'ny fiovan'ny toetr'andro. Mbola sarotra ny toe-draharaha ao Mayotte, mitaky fanetsiketsehana hatrany ireo miasa mikarakara ho fanomezana fahafaham-po ireo filan'ny mponina maika sy handrafetana ny fanarenana lavitr'ezaka.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/26/173101/
|
Tsipika iray vaovaon'ny fifandonana mikisaka avy any Donbass any Okraina mankany Sahel ao Mali
| 2024-12-26T13:15:29
|
Unknown
|
Fanamiana miaramila maliàna. Sary novokarina tao amin'ny Canva
Naverina noraisina ato amin'ny Global Voices ity lahatsoratra ity ho ampahany amin'ny fiarahamiasa amin'ny Bénin Intelligent . Arnauld Kassouin sy Moucharaf Soumanou no nanoratra ny lahatsoratra niandohàna, ary afaka jerena ao amin'ny tranonkala www.beninintelligent.com .
Ny fitsofohana voaporofo ataon'i Okraina , miara-dàlana amin'ireo vondrona touaregs mpitaky fisintahana, tamin'ny fanafihana iray tao Mali tamin'ny 25 sy 27 Jolay nanoherana ny Africa Corps , vondrona rosiàna iray ivelan'ny tafika ( Wagner taloha) miaraka miasa amin'ny Forces Armées Maliennes (FAMa) no manamarika fotoana iray izay, ny niafaràny, nifamotoanan'ireo ady roa mifanalavitra ho ao amin'ny faritra Sahel
Ilay fanafihana izay nitranga tao Tinzawaten , ao anatin'ny faritr'i Kidal any avaratra-andrefan'ny firenena, sisintany iraisany amin'i Alzeria, dia namoizana aina miaramila maliàna 47 ary rosiàna 84 , araka ny fampitam-baovao nalefa ho an'ny daholobe tamin'ny 1 Aogositra, avy amin'ny Cadre Stratégique Pour la Défense du Peuple de l'Azawad (CSP-DPA), fivondronan'ireo hetsika pôlitika sy miaramila touaregs ao avaratr'i Mali , izay manao ady manohitra ny Fitondràna maliàna hatramin'ny 2013 mba hampahaleo tena ny faritr'i Azawad .
Fa io fanafihana io dia fibatàna ihany koa ireo vokatry ny fananihambohitra rosiàna ao Okraina tamin'ny Febroary 2022 handeha lavitra ny sisintany eorôpeàna. Eny tokoa, ny tombondahiny azon'ny CSP-DPA tamin'ny Jolay dia mifandray amin'ny firotsahan'i Okraina. Ny 29 Jolay, Andriy Yusov , mpitondratenin'ny sampam-pitsikilovana okrainiàna (GUR), dia manamafy fa mety « hiditra hifandray amin'ireo mpihoko mpitaky fizakantena ao avaratr'i Mali » ny miaramilany.
Momba io, nitondra fanazavana tsy niolankolaka i Mohamed Elmaouloud Ramadane, mpitondratenin'ny CSP-DPA, teo amin'ny fandraisampeon'ny Radio France Internationale (RFI):
Mazava ho azy fa manana fifandraisana amin'i Okraina izahay, ary indrindra fa amin'ireo izay mizaka ny fampihorohoroana ataon'i Wagner.
Araka ny gazety frantsay mpiseho isanandro Libération , Andriy Yusov manamafy ao anaty fandaharana iray an'ny fahitalavitra okrainiàna fa:
Nahazo fampahalalàna tena nilainy ireo mpiadin'ny CSP-DPA, izay nahafahan-dry zareo nanao hetsika ara-tafika nahomby nanoherana ireo rosiàna mpanao heloka bevava an'ady.
Araka ny nambaran'i Oleg Nesterenko , rosiàna manampahaizana manokana voatanisa ao anaty lahatsoratry ny Maliweb :
Io dia hetsika iray tafiditra ao anatin'ny tetikasa tsiambaratelo ataon'ny Sampana fitsikilovana ao Okraina.
Yurii Pyvovarov , masoivohon'i Okraina ao Senegaly, maneho hevitra momba ilay lahatsarin'i Yusov amin'izao teny izao:
Hitohy ny asa. Azo antoka fa hisy ny vokatra hafa. Tsy azo ihodivirana ny famaizana ny heloka an'ady sy ny asa fampihorohoroana. Hevitra iray izany.
Mikisaka any Sahel ny adin'ny Rosiàna sy Okraniàna
Io fanohanana misokatra ataon'i Okraina amin'ireo mpihokon'ny CSP-DPA io ve azo heverina ho fiantombohan'ny ady iray isoloana tena hampifandray ny atsinanan'i Okraina, Donbass amin'i Sahel ?
Araka ny nambaran'i Bakary Sambe , talem-paritry ny Timbuktu Institute , ivontoerana afrikàna fikarohana momba ny fandriam-pahalemana, tamin'ny BBC raha azo an-telefaona izy:
Araka ireo zava-nitranga farany tao Mali, tsy ady isoloana tena intsony io, fa kosa tena ady mangatsiaka iray izay any amin'ny faritr'i Sahel no kianja ilalaovana.
Toy ny manamafy izay voalazan'i Bakary Sambe ny teny nambaran'ny mpitondratenin'ny ministera rosiàna misahana ny raharaha ivelany, Maria Zakharova. Herinandro taorian'ny zava-nitranga tamin'ny 27 Jolay, nampangain'i Zakharova i Okraina ho manokatra vava-ady iray vaovao any Afrika. Voatanisa tao anaty lahatsoratra iray an'ny Radio Télévision Suisse (RTS), hoy izy:
Tsy mahavita mandresy an'i Rosia eny an-tanin'ady, ka nanapaka hevitra ny hanokatra vava-ady iray faharoa ao Afrika ny fitondrana mpanao heloka bevava tarihan'i Zelensky. Any amin'ireo fanjakàna mankasitraka an'i Maosko, manohana vondrona mpanao asa fampihorohoroana ny governemanta okrainiàna.
Tanaty lahatsoratra iray navoaka tao amin'ny Wathi , tranon-kevitra iray tantanin'olontsotra ao Dakar, Bah Traoré Legrand, mpikaroka momba ny fandisoana vaovao, manazava hoe:
Lasa sehatry ny fifandonana tsy mivantana ifanaovan'i Rosia sy Okraina i Mali, ary io, dia noho ny fihetsiketsehan'ny jeôpôlitika erantany amin'izao fotoana izao.
Ho an'i Irina Filatova , Rosiàna mpahay tantara mipetraka ao Afrika Atsimo, ny firotsahan'ny Okrainiàna dia manaraka làlan-kevitra mazava be, araka izay hazavainy ao amin'ilay fantsona alemàna Deutsche Welle :
Tsy maintsy mampiseho amin'ireo firenena afrikàna ry zareo (Okrainiàna) hoe tsy matanjaka i Rosia, fa mety ho resy ihany koa.
Paul Melly , mpndalina sady mpikaroka ao amin'ny Chatham House , ivontoerana iray fandinihana, miorina ao Lôndôna, voatanisa ao anaty lahatsoratra iray an'ny BBC Afrique miteny hoe:
Ireo sarinteny ataon'i Kiev amin'ny firotsahany mivantana dia manamafy hoe vonona handeha hatraiza izy mba handefasana valin-kafatra ho an'ny filoha rosiàna.
Izay mihitsy, tanjon’ ny paikady aroson'i Kiev ao Afrika ny hanala ity farany amin'ny « vahoho rosiàna ». Ao amin'ny Africanews , manazava i Dmytro Kouleba, minisitra okrainiàna misahana ny raharaha ivelany:
Tsy te-ho Rosia iray hafa izahay. Ny paikadinay dia tsy ny hisolo an'i Rosia, fa ny hanafaka an'i Afrika amin'ny vahoho rosiàna.
Fidiran'ny resaka jeôpôlitika
Tsy hoe tsy misy fiantraikany ny fitsabahan'i Okraina miaraka amin'ireo mpikomin'ny CSP-DPA: fahatapahan'ny fifandraisana ara-diplaomatikan'i Okraina amin'i Mali, Borkina Fasô ary Nizera . Vonona tanteraka hanao izay handrenesana ny feon-dry zareo, nandray fanapahankevitra ireo firenena telo ireo ny hitondra ny raharaha eo anoloan'ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana.
Anatin'ilay naoty laharana 24-003-AES , ireo firenena telo dia « miampanga sy manameloka tanteraka ilay fanohanana misokatra noraisin'ny governemantan'ny Repoblikan'i Okraina ny asa fampihorohoroana erantany, indrindra fa ny ao Sahel ».
Paul Melly manampy hoe :
Tranga iray vaovao io, izay itrandrahan'ireo hery avy any ivelany an'ilay tanibe ho toy ny kianja filalaovana feno rà mandrika ho an'ny fifandrafian-dry zareo manokana.
Tetsy andaniny, i Yassine Fall , minisitra misahana ny fampiatiana afrikàna sy ny raharaha ivelany ao Senegal, dia tsy nisalasala nampahatsiahy an'i Yurii Pyvarovov, ny ampitson'ilay famoahana nataony. Fampitam-baovao iray naverin'ny tranonkala Anadolu noraisina no milaza hoe:
Momba ny masoivoho okrainiàna ao Dakar, izay nampanantsoina, nampahatsiahivina azy ny adidiny amin'ny tsy fanelingelenana, ny fahaiza-mifehy tena sy ny tsy fitsabahana; izay tsy maintsy miaraka amin'ny fahasarotana sy ny fanajàna ny iraka tontosainy.
Toy izany koa, ny Communauté Economique des États de l'Afrique de l'Ouest (CEDEAO) dia naneho « ny fandàvany mafy sy ny fanamelohany tanteraka izay rehetra fitsabahana vahiny ao amin'ny faritra » tamin'ny alàlan'ny fanambaràna iray nalefa ho an'ny daholobe tamin'ny 5 Aogositra 2024.
Fiverenan'ny toedraharaha libiàna ve ny ao Mali?
Niaina toajavatra nitovitovy tamin'izao i Libia tamin'ny 2011 rehefa nitarika firotsahana ara-tafika iraisampirenena nahitàna firenena efa ho roapolo ilay ady an-trano nifanandrinan'ny tafika tsy nivadi-pitokisana tamin'ny kôlônely Mouammar Kadhafi tamin'ireo mpihoko avy amin'ny revôlisiôna libiàna ny Martsa hatramin'ny Ôktôbra 2011.
Ny toedraharaha amin'izao fotoana ao Mali, indrindra fa ao Kidal, dia mampahatsiahy io toejavatra io, araka ny filazan'i Amidou Tidjani, Maliàna mpampianatra-mpikaroka ao amin'ny Oniversite Paris-13:
Ao anatin'ny fifandirana fanjakàna samy fanjakàna isika izao amin'ny alàlan'ireo mpisehatra tsy mivantana izay tsy iza fa ireo vondrona mpampihorohoro mitam-piadiana.
Ady famerenana ny fanjanahantany no nitranga tao Tizawaten. Io dia fitohizana lojikan'ny ady natao tamin'i Kadhafi.
Ambana tena izy araka izany ilay famadihana ho toa an'i Libia, voamariky ny firodanan'ny fahefam-panjakana sy ny fianahan'ireo vondrona mitam-piadiana. Ny fitsabahana vao haingana nataon'i Okraina, manohana ireo Maliàna mpihoko, dia mety vao mainka hanaratsy io tsy filaminana io amin'ny fanetsehana mpisehatra hafa ao amin'ny faritra na iraisam-pirenena mba hiditra an-tsehatra ao amin'ny faritr'i Sahel, hampitombo araka izany ny fisamantsamahana anatin'ny ankamaroan'ireo firenena ao Sahel.
Wassim Nasr , mpanao gazety ary manampahaizana manokana momba ireo hetsika dhijadista niteny tao amin'ny media Le Grand Continent hoe:
Ny faritr'i Sahle dia tafiditra tsara ao anatin'ny paikady okrainiàna amin'ny famadihana ho iraisampirenena ny ady atao hanoherana an'i Rosia, toa an'i Sodàna ihany koa.
Tao anaty lahatsoratra iray “ Okraina : ny fanofànana ireo vondrona mpanao asa fampihorohoroana ao Sahel, ireo mpikarama an'ady ary ny fitsabahan'i Rosia “, Oleg Nesterenko mitatitra fa « tsy hisy ny fidiran'i Okraina tahàka ireny raha tsy nisy ny fanohanana nivantana avy amin'ireo firenena ao anatin'ny OTAN ».
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/24/173068/
|
Tamin'ny resaka an-databatra tao Accra; manampahaizana avy amin'ny anjerimanontolo manasongadina ny fironana ho any amin'ny fahalalahan'ny haino-vaky-jery manerana an'i Afrika
| 2024-12-24T05:33:45
|
Unknown
|
Ireo Afrikàna manampahaizana momba ny haino-vaky-jery nandray anjara tamin'ny fivoriana iray tao Accra. Sary nahazoana alàlana, Winston Mano.
Vondron'ireo mpampianatra manana ny maha-izy azy amin'ny haino-vaky-jery avy amin'izao tontolo izao no nivory tao Accra, Ghana, tany am-piandohan'ny Desambra mba hamelabelatra fikarohana natao teny amin'ny anjerimanontolo sy hanasongadina ireo fironana mipongatra amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ireo mpiasan'ny media manerana an'i Afrika.
Novelabelarin'ireo profesora ireo lahatsoratra fikarohana miresaka fanadihadiana avy any Nizerià, Ogandà, Cote d’Ivoire, Afrika Atsimo ary Zimbaboe, izay matetika mitrandraka ny fifandraisana misy amin'ireo media sy ny rafitra demaokratika mipongatra ao amin'ny firenena iray.
Niaraka niaiky ireo manampahaizana hoe sadasada ny toetry ny fahalalahan'ny media ho an'ireo mpanao gazety sy mpampiasa aterineto manerana an'i Afrika: raha ireo lahatsoratra sasany kosa milaza vanim-potoana vaovaon'ny fahalalahana an-tambajotra ho an'ireo mpikatroka nomerika, marobe ireo fanadihadiana manasongadina sakana goavana ho an'ny fahalalahana maneho hevitra ao Afrika, indrindra fa ny nisamborana ireo mpanao gazety tao Nizerià na ireo fanakatonana ny aterineto nandritra ny ady an-trano tao Borkina Fasô.
Nasongadin'ny lahatsoratra iray avy amin'ny Mpitatitra Tsy Voafetran-tSisintany (RSF) ireo fanafihana feno herisetra isankarazany natao tamin'ireo mpanao gazety nanerana ny faritra Sahel tamin'ny 2023 sy 2024. Mihoatra ny 500 ireo onjampeom-piarahamonina tao amin'ilay faritra no nanao sonia fanangonan-tsonia iray mitaky ny hampitsaharana ny fanafihana mpanao gazety, novelabelarina nandritra ny kaonferansa iray tao Bamakô tamin'ny Septambra 2024.
Nandritra ny atrikasa tamin'ny 5 Desambra, ireo manampahaizana manomana doctorat avy any Pays-Bas, Malawi, Angletera, Afrika Atsimo ary Etazonia dia nihaona tao amin'ny Mahogany Lodge tao afovoan-tanànan'i Accra mba hampitaha ny fikarohana an-taratasy vitan-dry zareo sy hanolotra fanakianana ary tanisa vaovao.
Anatin'ity lahatsary fohy ity, tao Accra ilay Afrikàna profesora mampianatra media dia nizara sary maroloko momba ny fikarohana nataon-dry zareo manokana novelabelariny nandritra ny Atrikasa Fahalalahan'ny Media tany amin'ny oniversiten'i Toronto.
Ilay ho filoha vaovaon'ny Anjerimanontolo Carleton ao Kanadà, Dr. Wisdom Tettey , dia nikarakara ilay atrikasa namoriana olona 12 tao Ghana niainga avy amin'ireo vola famatsiana fikarohana voaangony fony izy nitazona ny toeran'ny talen'ny Oniversiten'i Toronto tao Scarborough. Nanampy nikarakara ilay hetsika ny Media Foundation for West Africa .
Ny iray tamin'ireo famelabelarana lehibe nataon'ny Dr. Winston Mano avy amin'ny Oniversiten'ny Westminster ao Londôna dia nahafahana niditra lalina tamin'ny antsoiny hoe “ Afrokology “, fomba famaritana iray amintinana ireo ezaka goavana nikendrena ny hampahaleo-tena ny fikarohana vao mipongatra momba an'i Afrika eo amin'ny sehatry ny media sy ny fifandraisana. Ny tanjona, hoy i Mano nanazava, dia ny hitrandrahana tsaratsara kokoa ireo sehatry ny media atao eny anjorom-bàlan'ny fahalalàna ao Afrika, amin'ny famoronana “taridàlana navaozina ifotony” hahafahana mampisy fikarohana tsara kokoa izay hanome tombony ny fomba fisaina afrikàna.
Ireo manampahaizana manokana momba ny media dia samy nanolotra fikarohana tsy nodiambiasin-tànana avokoa, ho an'ilay atrikasa nampitondraina lohateny hoe “Fivoaran'ny Demaokrasia, ny Media, ny Maripamantarana ary ny Maha-Olompirenena ao Afrika: Kiana sy Fanoherana.” Nanam-bintana ireo mpandray anjara hanaovany sosokevitra momba izany sy hanisy fanovàna amin'ny fikarohan'ny tsirairay, izay havoaka anaty gazetiboky malazan'ny oniversite amin'ny 2025 (tsy mbola tena tapaka akory ny amin'ilay gazetiboky nefa efa vitan'ireo mpandray anjara ny fanovàna nataon-dry zareo).
Tanaty resadresaka taorian'izay dia nilaza i Tettey hoe:
Heveriko, fa ho an'ireo olona miasa amin'ity sehatra ity, ny lafin-javatra tokony horaisina, manomboka amin'ireo mpanao gazety ka hatramin'ireo pôlitisiàna sy ny fiarahamonina sivily momba izany olana izany, dia ny fahatakarana fa tsy azo tsinontsinoavina ireo fahalalàna ireo, ary marefo izy ireny fa tsy maintsy tohizantsika hatrany ny manosika izay hahamafy azy ireny.
Antenain'i Tettey fa rehefa voatonta amin'ny endrika fandalinana nampanarahana ny toetrandro an'ireo fanadihadiana tranga-na media anatin'ireo hetsika pôlitika goavana, ny fitambaran'ireo literatiora novokarina dia ho afaka hitondra fahazavana amin'ny politikan'ny governemanta sy ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonina sivily manerana an'i Afrika.
Ao anatin'ity resadresaka lavabe ity i profesora Tettey no mizara ny tombany tamin'ilay atrikasa tao Accra, amin'ny fanasongadinana ny fomba hahafahan'io fitambarana literatiora io hitondra fahazavana amin'ny pôlitika momba ny media ho an'ireo governemant afrikàna manerana ny tanibe.
Ireo Afrikàna manampahaizna momba ny media miresaka ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety tao Accra,Ghana. Sary: Jimmy Kainja.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/22/172262/
|
Tantaran'ny kiraroko: fampahatsiahivana ireo taona roa nahatsiravina niaretanay tamin'ny adin'i Tigray tao Etiopia
| 2024-12-22T08:32:39
|
Unknown
|
Rangahy iray mandalo akaikin'ny potiky ny fiara mifono vy iray (T-72) eo amin'ny làlambe ao Edaga Hamus, faritra Tigray ao Etiopia, 5 Jona 2021. Saripika an'i Yan Boechat/VOA ao amin'ny Wikimedia Commons ( Sehatra ho an'ny daholobe ).
Nosoratan'i Haftu Hindeya Gebremeskel, profesora mpiara-miasa amin'ny Oniversite Mekelle ao Tigray, Etiopia.
Ny 2 Novambra ny vahoaka ao Tigray , Etiopia, no hanamarika ny roa taona nifaranan'ny ady an-trano tao amin'ny faritra tamin'ny fomba ôfisialy . Tamin'io andro io, tamin'ny 2022, nosoniavin'ny antoko lehibe nitondra tao amin'ny faritra misy ahy , ny Madatehezam-Panafahana ny Vahoaka Tigray – Tigray People’s Liberation Front (TPLF), ilay Fifanarahana Fandriam-pahalemana tao Pretoria nifanaovana tamin'ny governemanta etiopiàna, izay noheverin'ny Firenena Mikambana ho “dingana iray goavana voalohany” mankany amin'ny fitsaharan'ilay ady feno habibiana..
Amin'izay andro izay, toy ny isanandro ihany, hitopy any amin'ireo kiraro tonta aho, izay tehiriziko eo amin'ny tohatro ao an-trano. Ireo kiraro rotika sy tonta dia mampahatsiahy ireo taona roa niaretanay ady nahatsiravina. Ireo kiraro ireo no nitondra ahy fony nobahanan'ny governemanta federaly sy ny mpiaradia aminy ary nataony fahirano i Tigray. Teo anelanelan'ny 2020 sy 2022, nanodidina ny 600.000 ireo olona avy ao Tigray maty noho ireo fihetsika tsy voahevitra sy tsy misy dikany, ary 2,5 tapitrisa no nafindra toerana tao anatin'ny firenena ihany vokatry ny ady .
Tehiriziko izy ireo satria rehefa mijery ireo kiraroko aho, tsaroako ny fijaliana tsy hay nozakaina niaretanay niaraka. ho ahy dia toy ny hoe afaka miresaka ireo kiraro ireo. Milaza ireo fahatsiarovana tsy zakako lazaina ry zareo. Saingy, ilain'izao tontolo izao ny mandre izay zava-nanjo anay, satria toa hadinon'ny rehetra i Tigray.
Ny 4 Novambra 2020, tena talohan'ny nipoahan'ilay ady mihitsy aho no nividy ireo kiraro vaovaoko . Tamin'izay hariva izay, nàka kihon-dàlana goavana ny fiainanay. Tanaty herinandro vitsy, nameno an'i Mekelle renivohitray ireo olona avy any amin'ny lafivalon'i Tigray.
Nisy fampielezankevitra nalefan'ny governemanta ho amin'ny fankahalàna an'ireo Tigraiana . Nambaran'ny praiminisitra etiôpiàna, Abiy Ahmed , fa ny TPLF dia “ahidratsy mora mitombo” “tsy maintsy hongotana mba tsy hipoitra haniry intsony mihitsy.” Nampiako izany toepo izany ireo pôlitisiàna sy mpiaradia, tamin'ny fampiasàna ireo fanivaivàna toy ny hoe “ahidratsy”, “homamiadana”, “voalavo” ary “mpampihorohoro” mba hanondroana anay. Natosiky ny governemanta ireo olontsotra mba hanàla baràka, hamely, handroba ary hatramin'ny hamono mihitsy ireo vahoaka Tigraiàna miasa mafy. An'arivony maro no very asa, voaroba ny orinasany ary nikatona. Nogadraina izy ireny na novonoina. Nohazaina tany rehetra tany ireo Tigraiàna — tany an-tranony, biraony, teny an-dalambe ary tany anaty fiarakaretsaka — natao lasibatra fotsiny noho ny maripamantarana an-dry zareo. Ireo izay afaka nandositra nankany Mekelle na nitady fialofana tany ivelan'i Etiôpia dia nanao izany.
Rehefa tonga niaraka tamin'ny tànam-polo tao Mekelle ny olona, voatery nifamory ny mponina mba hitondra izay fanampiana azonay natao. Sarotra be ny fihaonana sy ny fandrindràna noho ireo fanafihana an-habakabaka matetika nikendrena ny sivily amin'ny antoandro be nanahary, kanefa nitozoanay ny fanohanana ireo anabavy sy rahalahy. Tsy tapaka ny fanaovana fanambaràna nataon'ireo fikambanana sivily tao amin'ny onjampeo Radio FM Mekelle, nandrisihana anay hifanohana sy hifampizara vaovao momba ireo tranonkala fandraisana fanomezana.
Nandritra izany fotoana izany, niaraka tamiko teny foana ireo kiraroko ireo, raha nomeko ho an'ireo sahirana kosa ny kiraro hafa . Saika ny fitafian'ny fianakaviana rehetra no nalefa natao fanomezana ho fanohanana ireo tra-boina. Na teo aza ny tahotra, ny dona, ary ny fahavononana tsy an-kiato, dia tsy nisalasala izahay nanampy ireo izay, tany aloha, nanana nihoatra noho izahay.
Niharitra ny mafy ireo kiraroko. Nandeha efa ho 16 km (10 miles) isanandro izaho sy ilay namako Abenet namakivaky ny tanàna. Tsy dia nanan-tsafidy izahay noho ny tsy fanànana vola sy ny fampiatoana tanteraka ny fitaterana noho ny tsy fisian'ny solika.
Natetika nitsidika ireo namana miasa anatina ONG izahay, nanantena fa mety ho afaka mampita hafatra any amin'ny fianakavianay any ivelan'ny faritra na ny firenena ry zareo, satria ireny ihany no hany toerana manana fahafahana kely miditra aterineto. Indrisy anefa fa maro ireo nisalasala hanampy. Ny sasany nitaky vola na tambiny, raha ny hafa indray toa very fanantenana. Nisy vitsivitsy nandray anay tamin'avona sy hasiahana.
Ireo kiraroko. Saripika an'i Haftu Hindeya Gebremeskel, fampiasàna nahazoana alàlana.
Isaky ny mijery ireo kiraroko aho, mampitamberina fahatsiarovana manokana izy ireo. In-dray andro, raha nivenjivenjy teny an'araben'i Mekelle aho, dia nifanena tamin'ny namako iray izay nanontany ahy momba ny fahasalaman'ny rahavaviko. Namelona ahiahy tao anatiko izany, satria andro iray nialoha ny nanaovana sonia ilay fifanarahana tao Pretoria, tanindrazako, niharan'ny daroka baomba henjana i Mekhoni ao Raya. Taoriana kelin'izay dia henoko fa rava ny trano nisy ny rahavaviko, trano itoerana sivily tsy misy ifandraisany amina lasibatra ara-tafika mihitsy. Mampalahelo fa zavatra saika fahita manerana ireo tanàna rehetra ao Tigray izany nandritra ilay ady nandatsahan-drà sy feno habibiana.
Tena nanohina mafy ahy ny nandrenesako io vaovao nampalahelo io. Nobahanan'ny governemanta etiôpiàna daholo ny fifandraisana rehetra, ka tsy nahafahako niantso na nanomana fitsidihana mivantana noho ny tsy fisian'ny fitaterana. Lasa aho nody, nokikisan'ny ahiahy momba ilay rahavavy tsy foiko — io angamba no fivenjivenjena henjana indrindra teo amin'ny fiainako.
Rehefa tonga aho, hitako tonga avy any an-tanindrazanay ny anadahiko kely mba hankahery ahy. Nozarainy tamiko fa tany an-tranon'ny reniko ilay rahavaviko tamin'ny fotoana naharava ny tranony. Fahamaivamaivanana no nameno ahy manontolo.
In-dray mandeha koa, nojereko ireo kiraroko, ary toy ny nitahiry fahatsiarovana fanolànana izy ireo, toy ny hoe natelin'izy ireo ary notehiriziny ny resadresaka nataoko nandritra ilay ady. Tsaroko ilay niaraka nandeha tamin'i Abenet, niteny taminy momba ny tatitra iray navoakan'ny Amnesty International tamin'ny 2021, izay nifantoka tamin'ny herisetra ara-nofo.
Tsy takatry ny saina raha izay nanjo ireo vehivavy tao Tigray. Toetra barbariàna no nasehon'ireo miaramila — fanolànana itambarana natao an'ireo vehivavy tigraiàna ary famelàna ireo hareza, fimailo avy nampiasaina sy zavatra hafa mampididoza teny amin'ny vatan'izy ireny. Nataon-dry zareo lasibatra ny ankizy sy ireo vehivavy bevohoka, nataon-dry zareo toy ny andevon'ny filàna ara-nofo, ny famoràna vehivavy sy endrika hafa amin'ny fampijaliana. Nisotasota an-dry zareo tamin'ny fandrahonana ho faty sy ny resaka foko ireny mpiremby ireny. Nampiasaina ho fitaovam-piadiana nandritra ilay ady ny fanolànana sy ny herisetra ara-nofo, natao hanambaniana sy hanalàna baràka ireo vehivavy sy tovovavy tigraiàna, namela takaitra maharitra ara-batana sy ara-tsaina. Araka ny lazain'ireo manampahefana ao amin'ny faritra , raha kely indrindra dia 120.000 ireo vehivavy voaolana tao Tigray nandritra ilay ady.
Nisy fahatsiarovana matroka iray atamberin'ireo kiraroko, toy ny andro iray tamin'ny Aogositra 2021, rehefa nijery vaovao aho ary nahita sarina Tigraiàna iray nitsingevana teo amin'ny renirano Tekeze . Tena tsiahy feno habibiana io momba ny halalin'ny habibiana nataon'ireo fahavalonay.
Nijaly mafy ny ankizy. Tafasaraka tamin'ireo havan-tiany ry zareo, ary notapahatapan'ny tafika bibidia eritreàna ny taoalan'izy ireo nefa mbola velona izy ireo tamin'izany. Nahafaty reny sy ankizy marobe ireo fanafihana an'habakabaka tamin'ny andro antoandro, teny an-tsenan'i Adidaero , Alamata , Togoga , ary tao amin'ny sekolin-jazakely tao Mekelle , raha tsy hilaza afa-tsy vitsivitsy.
Zavadoza ilay ady, ary nisy fiantraikany tany anaty fo sy fanahin'ny olona erantany ny habibiany. Kanefa, izaho mino fa tsy dia nanaitra loatra ireo firenena matanjaka izy iny — Etazonia, Fanjakana Mitambatra, sy ireo firenena Tandrefana hafa. Ireny firenena ireny, izay mihambo ho mpiaro zon'olombelona, dia nahafantatra ny zava-nitranga tao Tigray, saingy tsy nandray fepetra na kely aza mba hanampiana anay.
Na amin'izao fotoana anananay fifanarahana fandriam-pahalemana izao aza, nefa tsy mbola miaina fahalemana izahay. Taona roa izao, efa ho iray tapitrisa ireo olona mbola tsy afaka miverina any an-tokantranony . Tsy afaka izahay hamerina manamboatra ireo tany simba fambolinay, na ny tanàna sy vohitray voadaroka baomba, satria niainan'i Tigray ihany koa ny haintany nahatsiravina tsy nisy 40 taona. Saiky ao amin'ilay faritra manontolo mihitsy no tonga amin'ny haavon'ny krizy sy hamehana ny haavon'ny tsy fahampian-tsakafo . Manodidina ny 1,84 tapitrisa ireo ankizy Tigraiàna no tsy tafiditra an-tsekoly nandritra ny telo taona nifanesy. Na teo aza ireo ezaka natao, mbola tsy ampy antsasak'ireny ankizy ireny no tafaverina any amin'ireo sekoly nianaran-dry zareo, izay tena tra-paharavàna goavana. Ary 80 isanjato amin'ireo mpampianatra nanontaniana no nahitàna soritra rarintsaina taorian'ny dona nahazo azy, izay milaza ny sanda ambony ara-tsaina nasain'ilay ady nozakain-dry zareo, araka ny tatitra iray .
Rehefa mijery ireo kiraroko aho dia miteny amin'ny tenako ihany koa hoe mandeha ny fotoana ary ireny fotoana ireny no mitondra lesona ho antsika, izay nianarantsika tamin'ny fomba sarotra. Tsy maintsy raketina ny ady tao Tigray. I reo izay manana fahaizana manoratra dia t sy maintsy mirakitra an-tsoratra ny tantara nampahory niainanay, ary tsy itandroana hasasarana, mba tsy hamerenan'ny taranatsika ny hadisoana mitovy amin'izany.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/26/173051/
|
Fitsimbadihan'ilay vondrona fiarovantena ao Lakurawa, ambana vaovao ho an'ny fandriampahalemana ao Afrika Andrefana
| 2024-12-26T03:35:00
|
Unknown
|
Hita eo amin'ity sarintanin'i Afrika andrefana ity ny faritra anjakan'ny vondrona Lakurawa, eo anelanelan'i Nizerià, Benin ary Nizera. Pikantsary an'ny fantsona YouTube BBC News Africa
Miatrika ambana vaovao ara-piarovana i Afrika Andrefana: ilay vondrona fiarovantena Lakurawa ao avaratra-andrefan'i Nizerià, milaza fa miaro ireo kaominista miampita ny sisintany amin'ireo asan-jiolahy dia mizotra tsikelikely mankamin'ny fanaovana jihadisma.
Vondrona fiarovantena ny vondrona Lakurawa izay taloha dia teo anelanelan'ny Fanjakan'i Sokoto sy ny Fanjakan'i Kebbi , izay samy ao avaratra-andrefan'i Nizerià daholo ary mampifandray an'i Benin amin'ny alàlan'ny tsipika miampita sisintany mihitatra hatrany Nizera. Mifampizara lalantsara iraisana ireo firenena telo ireo, fantatra amin'ny anarana hoe làlana Kandi (Bénin)- Kebbi (Nizeriàa - Niamey (Nizera).
Amin'ny ankapobeny, iraka nifotoran'ilay vondrona ny « hanome sy hanolotra fiarovana ho an'ireo vahoaka ao an-toerana any anatin'ny tanin'ireo faritra anjakany na ambany fifehezany ». Araka izany dia miady an-kolaka eo anilan'ireo manampahefana ry zareo mba hanohitra ny jihadisma, saingy nisy fiovana ideôlojika vao haingana tonga nanova ny toejavatra ao anatin'ny tontolon'ny fiarovana izay nisosa tsara tao amin'io ampahan'ny faritra ao Sahel io.
Ny 9 Novambra 2024, nisy fanafihana iray nataon'ny vondrona Lakurawa tao Mera (vohitra iray any avaratra-andrefan'i Nizerià eo amin'ny faritra an-tsisintany iarahany amin'i Benin) izay nahafatesana olona 15 . Io tranga io dia nanosika ireo manampahefana nizeriàna hanaitra ny ao amin'ny faritra andrefan'i Afrika momba ny ambana goavana aterak'ity vondrona ity manomboka izao. Ho amin'izany, i Shehu Sani , loholona fahiny avy ao amin'ny Fanjakan'i Kaduna (ao afovoan'ny firenena) dia milaza ny filàna hetsika iarahan'ireo firenena ahitàna an'i Bénin, Nizera ary Nizerià mba hanoherana ilay vondrona fiarovantena izay toa lasa mankany amin'ny fanaovana henjam-pihetsika, araka ny tatitry ny Daily Post .
Toy ireo hery hafa lazaina fa fiarovantena, ny vondrona Lakurawa dia miasa ao anatina faritra iray marefo noho ny fitomboan'ny tsy fandriam-pahalemana, ary mety hitsimbadika mora foana mankany amin'ny fanaovana asan-jiolahy hatramin'ny fanaovana asa fampirohorohoana, araka ny fijerin'i Sani Saidu Muhammad , Nizeriàna mpanao gazety manampahaizana manokana amin'ny resaka toekarena tsy ara-dalàna sy ny olan'ny maha-olona. Raha nitafàn'ny Global Voices, inoany fa ny fipoiran'ny Lakurawa indray ho toy ny vondrona islamista mpampihorohoro dia vokatry ny faharatsiam-pitantanana sy ny tsy fahampian'ny fifehezan'ireo governemanta ireo vondrona fiarovantena.
Arnauld Kassouin (AK) : Ahoana no fanombananao ny fiarahamiasa misy amin'i Benin sy Nizeria amin'ny ady atao hanoherana ny fanaovana an-tendrony feno herisetra ary ny asan-jiloahy eny an-tsisintany ?
Sani Saidu Muhammad (SSM): Tsy isalasalàna fa nanao dingana nandraisana fepetra i Bénin sy Nizerà mba hiadiana amin'ny asa fampihorohoroana sy ny fanaovana an-tendrony mahery setra eny amin'ireo sisintany, amin'ny alàlan'ireo hetsika iraisana natao teo ambany fitarihan'ny CEDEAO sy ny Force multinationale mixte (FMM) ivondronan'ireo tafika mitam-piadiana avy amin'ireo firenena dimy: Bénin, Nizera, Nizerià, Kamerona ary Tchad. Na izany aza, mbola ho hita eo ny ho fahombiazan'ireny hetsika iraisana ireny: matetika tsy ampy izy io noho ny tsy fahampiam-pitaovana sy ny fametrahana azy tsy itovian-kevitra. Ohatra, raha deraina ny fanaovana fisafoana miaraka sy ny fifampizaràna vaovao, tsy misy mihitsy kosa porofo milaza fa tena nahafahana nampihena be ireo trangana herisetra teny amin'ny sisitany sy ny fanondranana an-tsokosoko izy ireny. Mba hisian'ny firosoana marina, tokony hataon'ireo firenena roa tonta ho laharam-pahamehana ny fanorenana fotodrafitrasa eny amin'ny sisitany, ny fampifanarahana ny rafitry ny lalàny sy ny fametrahana fifampitokisana, tsy hoe fotsiny eo amin'ny samy governemanta, fa koa eo amin'ireo vondrom-piarahamonina eny an-tsisintany izay tena ilaina be ny fiarahana miasa ho amin'ny fandriam-pahalemana maharitra.
Sarin'i Sani Saidu Muhammad, Nizeriàna mpanao gazety. Saripika an'i Sani Saidu Muhammad, nahazoana alàlana
AK : Raha tsy ny haka faritany iray avy hatrany no tanjon'ny Lakurawa, dia inona izany no tena tanjon-dry zareo ?
SSM : Tanjona stratejika iray no arahan'ny vondrona Lakurawa. Ekena tokoa, kendreny ny hanozongozona ireo firafitry ny fanjakana mba hananganana habaka tsy misy mpitantana ka ho afaka hiroborobo ireo asa ataony, manomboka amin'ny fanasàna atidoha ka hatramin'ny fananganana orinasa mpanao heloka. Ankoatra izay, miroborobo izy amin'ny alàlan'ny fitrandrahana ireo taraina sy hirifiry ara-toekarena sy sôsialy, toy ny fanilikilihana, ny fahantràna ary ny faharatsiam-pitantanana. Amin'ny famoronana korontana, simbàny ny fahatokisan'ny vahoaka ny fanjakana, avadiny ho hirika handraisana mpikambana sy hametrahana ny dindony ny tahotra sy fahasorenana. Ideôlôjika ny tanjony, fa tena pragmatika lalina ihany koa : katsahany ny hifehy ny loharanon-karena, ireo toerana stratejika ary ireo vahoaka marefo.
AK: Heverinao ve fa hampahalemy kokoa ny fiarovana ny sisintanin'ireo firenena ao Afrika Andrefana ny fipongaran'ny Lakurawa ho toy ny vondrona islamista mpampihorohoro ao avaratra-andrefan'i Nizerià?
SSM: Ambana goavana mitatao amin'ny fandriam-pahalemana ao amin'ny faritra ny fipongaran'ny Lakurawa indray. Vao mainka mampitombo ny faharefoana amin'ny fitantanana ny ao amin'ilay faritra, manome tany lonaka ho an'ny fanondranana antsokosoko ny fitaovam-piadiana, fanelezana ideôlôjia mpanao an-tendrony ary ny fanozongozonana ireo fanjakana mpiray vodirindrina. Matetika ireo vondrom-piarahamonina ao amin'ilay faritra no mitatitra fisiana tahotra be amin'ny hitrangana herisetra, fikorontanan'ny toekarena ao an-toerana ary ny fihenàn'ny fitokisana an'ireo rafi-piarovana an'ny fanjakana. Anaty fotoana maharitra, ny fisian'ny vondrona Lakurawa dia mety hanakorontana ireo fifanomezan-tànana ao amin'ny faritra, toy ny CEDEAO, satria ireo firenena dia hanao ho laharam-pahamehana ny olan'ny fireneny, izay vao ireo ezaka fiarovana iarahana. Raha tsy misy fandraisana fanapahankevitra matotra, ahiana hivaona ho lasa tsy fandriam-pahalemana midadasika kokoa ao amin'ny faritra ireny ambana ireny.
AK : Miaraka amin'ny fahitàna indray ny vondrona Lakurawa, tokony hampatahotra antsika ve ny ho fivadihan'ireo vondrona fiarovantena any andrefan'i Nizerià, ao amin'ny sisintany iraisany amin'i Benin, ho lasa djihad ?
SSM : Ho toy ny valinkafatry ny vahoaka manoloana ny tsy fandriam-pahalemana dia mipoitra ireo vondrona fiarovantena. Saingy ny tsy fisian'ny fitsipika mifehy azy ireny no mahatonga azy ho marefo mora itsofohan'ireo djihadista: mety ho lasa mpanao an-tendrony izy ireny ary mivoatra mankamin'ny tambajotra mpampihorohoro, amin'ny filazàna azy ho fiarovana ny vondrom-piarahamonina. Asehon'ireo angondrakitra azo avy amina toejavatra mitovitovy amin'izany , toy ny tany amin'ireo faritra sasany ao Sahel, ny fomba ataon'ireny vondrona ireny mba hampanjavonjavoana ny tsipika manasaraka ireo vondrona fiarovantena sy ny mpanao asa fampirohorohoana, rehefa tsy voafehy ry zareo. Tena ilaina be mba hampihenàna io ambana io ireo fepetra fitsinjovana mialoha, indrindra fa ireo rafitra fanarahamaso, sy fampidirana ho anatin'ny ara-dalàna ho anatin'ny rafitry ny pôlisy manakaiky vahoaka ary ny fanentanana ho fanabeazana ireo voatily.
AK: Inona avy ireo fanamby goavana mila ihoarana eo amin'ny faritra mba hisorohana ny “famadihana ho djihad ny fanaovana asan-jiolahy” na ny “famadihana ho djihad ireo vondrona fiarovantena”?
SSM : Mba hisorohana ny famadihana ho djihad ny asan-jiolahy sy ireo vondrona fiarovantena, marobe ireo fanamby tsy maintsy hatrehana eny amin'ny faritra, toy ny fanamafisana ireo fanarahamaso eny amin'ny sisintany. Io dia ampiasàna ny tekôlôjia sy ny fanolorantenan'ny vondrom-piarahamonina. Ary koa, ny fanjakana dia tsy maintsy mamerina ny fanakaikezana an'ireo olona tantanina amin'ny alàlan'ny fanatsaràna ny fomba fitantanan-dry zareo ny raharaham-bahoaka, indrindra fa eny anatin'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika. Tahaka izany koa, ny CEDEAO sy ireo firenena mpikambana ao anatiny dia tsy maintsy mandrindra ny ezak'izy ireo, amin'ny fiantohana ny hoe apetraka hitambatra amin'ny fomba mahomby ireo fitaovana sy ny angom-baovao. Ankoatra izay, tsy maintsy arahana maso ireo vondrona fiarovantena, ofanina ary ampidirina anatin'ireo rafi-piarovana ôfisialy mba hisorohana izay rehetra fivilian-dàlana.
Miankina amin'ny fomba fiasa isam-paritra miainga amin'ny fahavononana pôlitika sy ny fiatian'ny fiarahamonina ny fahombiazan'ity ady ity. Any amin'izay ahatsiarovan'ny olona ho tsy misy mpiahy no iroboroboan'ny Lakurawas ; Ny fiantohana hoe tsy misy atao zanak'Ikalahafa no fomba tsara indrindra hiarovana amin'ny fiparitahan-dry zareo.
Miaraka amin'ny fiverenan'ny vondrona Lakurawa mipoitra indray, tsy maintsy hitombo hatrany hatrany ny fanambin'i Afrika Andrefana amin'ny ady atao amin'ireo fanafihan'ny mpampihorohoro.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/23/173024/
|
Rising Voices: Mihaino izao tontolo izao amin'ny teniny manokana
| 2024-12-23T05:04:11
|
Unknown
|
Sary avy amin'i Ethan Zuckerman, nahazoana alalana.
Nandritra ny Fihaonambe Global Voices 2024, natao tany Kathmandu, Nepal, tamin'ity volana Desambra ity, nanatontosa fivoriana maromaro ho an'ny daholobe nandritra ny roa andro izahay. Ity ny famintinana ny fivoriana iray tamin'izany, navoakan'i Ethan Zuckerman voalohany tao amin'ny bilaoginy, ary naverina navoaka eto rehefa nahazoana alalana.
Satria ampahany goavana amin'ny Global Voices ny fandaharana Rising Voices tarihan'i Eddie Avila . Araka ny nambarany, ny Rising Voice dia mikasika ny “fanampiana ireo vondrom-piarahamonina hahavaly ny filàny hanapakevitra ho an'ny tenany” — matetika izany midika ho fitehirizana ny fiteny sy hiantohana ny firoboroboany amin'ny sehatra nomerika. Mpikatroka amin'ny fiteny 20 no niakatra an-tsehatra tany Nepal tamin'ny Fihaonambe Global Voices 2024 mba hiresaka momba ny ezaka fampiroboroboana ny teny.
Misy singa maromaro ny fikojakojana fiteny iray. Ao ny fiantohana fa voankihy ny soratra, mba hahafahantsika mamaky sy manoratra fiteny iray anjotra — mety ho tafiditra ao anatin'izany ny “misavasoritra” (scanning) sy ny “miankihy” (digitizing) boky tsotra, ary ny fandrafetana ireo endritsoratra ankehitriny. (Amin'ny tranga iray, midika hoe fetiben'ny sora-tanana — Callijatra — hankalazana ny sora-tanana amin'ny fiteny Nepaley) izany.
Fa midika hoe miantoka ny fampiasana azy amin'izao andro maoderina izao koa ny fikojakojana fiteny iray. Fomba iray malaza amin'ny fanaovana izany ny fananganana edisiona Wikipedia. Nihaona tamina volanteran'ny Wikipedia Doteli , izahay, izay efa nitaditady lalana tamin'ny taona 2014. Volantera tsy avy amin'ny faritra nitenenana ilay fiteny no nanangana azy io, fa te-hiantoka ny fahaveloman'ilay fiteny. Ankehitriny efa misy ny mpitondrateny Doteli mitantana ny tetikasa, ary tamin'ny taona 2017, dia tetikasa Wikipedia mitokana izy io. Misy rakibolana ankihy ho an'ny fiteny ihany koa.
Tsy azo tsinontsinoavina ireo fanamby ireo – tsy misy na dia iray aza, soratra nifanarahana ho an'ny Doteli. Ary miteny fitenim-paritra samihafa ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny tetikasa. Nanapa-kevitra hamaha ny olana amin'ny asa izy ireo: andao hiara-hiasa ary hijery izay miseho.
Fomba iray hafa ho an'ny fahaveloman'ny fiteny ny fitadiavana ny fisian'ny fiteny iray ao amin'ny Google Translate . Nahare avy amin'ny mpikarakara iray niasa tamin'ny famoronana tahirin-kevitra ampy ho an'ny Nepalbhasa, fiteny ampiasain'ny vahoaka Newar, miasa indrindra indrindra ao amin'ny Lohasahan'i Kathmandu, ary voarahona rehefa nampanjakaina ao amin'ny firenena ny fiteny Nepali, izahay. Tahaka ny fananganana Wikipedia, fomba iray hiantohana ny fiteny iray ho “hita an-tsarintany” maneran-tany ny Google Translate , ary manolotra fotodrafitrasa ahafahan'ny mianatra sy ny tsy mbola za-draharaha afa-mifandray ara-botoaty.
Ny ankamaroan'ny asa nataon'ny Rising Voices nandritra ny taona maro dia miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina any Meksika, Amerika Afovoany sy Atsimo, faritra izay tandindonin-doza ny teny indizeny noho ny fipoiran'ny teny Espaniola ho fiteny (ifandraisana). Manao lahatsary TikTok sy Instagram momba ny zava-mamy sy fanafody nentim-paharazana amin'ny fiteny Yucatec Mayan i Abisag “Abi” Aguilar avy ao amin'ny Quintana Roo, izay mianatra ho mpampianatra amin'ny sekoly fanabeazana fototra. Mitondra ny teny Maya ho any amin'ny sehatra anjotra ary mifameno amin'ny atrikasa ara-javakanto sy asa tanana eo an-toerana izay mamorona tontolo ahafahan'ny ankizy mianatra ny kolontsainy sy manangana tontolo hahatsapan'ny ankizy ho voaro amin'ny fampiasana ny fiteniny ity asa ity.
Sary avy amin'i Ethan Zuckerman, nahazoana alalana.
Niara-niasa tamin’ny Global Voices niaraha-niombon'antoka tamin’ny UNESCO ny Profesora Genner Llanes-Ortiz mba hananganana ny “Iniciativas digitales para lenguas Indigenas” — fisantaran'andraikitra nomerika ho an’ny fiteny indizeny — fonosana amin’ny teny Espaniola sy Anglisy mba hanampiana ny olona hitahiry sy hampiroborobo ny fiteniny. Vokatry ny asa nanomboka ny taona 2014 ny fosonsana, anisan'izany ny fivoriana fanao isan-taona any Meksika izay mampivondrona ireo mpiteny ny teny indizeny mba hanorina rafitra fiarovana ny fiteny:
Facilitar (Manamora) Multiplicar (Mampitombo) Normalizar (Mandravona) Educar (Manabe) Recuperar (Mamerina) Imaginar (Misary) Defender (Miaro) Proteger (Mitahiry)
Ao anatin'ny rafitra tahaka izao, mampiseho ireo ezaka toy ny sarintanin'ny First Languages (fiteny voalohany) any Aostralia, ireo emojis sy tantara an-tsary mifanaraka amin'ny kolontsaina izay mankalaza ny fiteny sy kolontsaina eo an-toerana i Genner.
Mifarana amin'ny fandraisam-pitenenan'ny mpikatroka amin'ny fiteniny eo an-toerana, sy ny fanazavana ny antony maha-zava-dehibe ny fiteniny ny fotoam-pivorianay . (Manolotra fandikana ny tenin'izy ireo ny efijery iray ao ambadiky ny mpandray anjara). Ireto misy sombiny vitsivitsy:
Amrit Sufi, miteny ao amin'ny teny Angika: “Mahita hoavy aho izay tsy hahatsapan'ny taranaka vaovao ho latsa-danja raha miteny Angika ary hampandroso izany amin-kafaliana.”
Janak Bhatta, miresaka amin'ny fiteny Doteli: “Mitarika ho amin'ny fahafatesan'ny literatiora, ny kolontsaina ary ny sivilizasiona ny fahafatesan'ny fiteny iray. Fahafatesan’ny lova… Toy ny maty an-drano sy manjavona ny fanadinoana ny tenin-dreninao .”
Sadik Shahadu, miteny amin'ny teny Dagbani: Manantena aho fa hahita fivoarana lehibe ho an'ny teny Dagbani amin'ny fampiharana fianarana mandeha ho azy, fanodinana fiteny voajanahary (NLP) ary IA momba ny fiteny toy ny Google translate sy ny ChatGPT.
Umasoye Igwe, miteny amin'ny teny Ekpeye: “Tiako ny hahita ny fiteniko ampiasain'ny mpikambana rehetra ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy ho fiteny voalohany amin'ny fifandraisana anjotra sy ivelan-jotra.”
Siya Masuku, miteny amin'ny teny isiZulu: “Ao anatin'ny tokotanin-tsehatra misy ahy amin'ny maha-mpanao tantara an-tsary miasa amin'ny fiteny isiZulu ahy, te-hamorona tantara azo ampifanarahana avy amin'ny printy mankany amin'ny sarimihetsika aho, manome hery ny amaZulu mba handray an-tanana ny ezaka famelomana ny fiteniny, ary miara-hiasa amin'ireo vondrom-piarahamonin'ny fiteny indizeny mba hamorona fandaharana sy fitaovana fampianarana ny fiteny, fikarohana ary akademia.”
Subhashish Panigrahi, miteny ao amin'ny teny Balesoria-Odia: “Mba hampiasana fitaovana nomerika ho an'ny fiteninao, toerana fanombohana tsara ny media sosialy satria manampy anao hifandray amin'ny fiarahamonina, indrindra fa ny tanora.”
Tsaroako tsindraindray ny nitomboan'ny Global Voices sy ny nivoarany hatramin'ny niezahako sy Rebecca MacKinnon hanasongadina bilaogy avy any ivelan'i Etazonia ho an'ireo mpihaino mahay teknolojia ao amin'ny akademia Amerikana sy ny vondrom-piarahamonin'ny asa fanaovan-gazety. Nifantohanay ny fananganana resadresaka ho hitan'ny mpihaino miteny anglisy izahay, indraindray mandika teny, saingy manasongadina ny asa amin'ny teny anglisy hatrany. Nanomboka tamin ‘i Portnoy Zheng nandika teny ny tantara avy amin'ny Global Voices no niresahanay momba ny fandikana amin'ny fiteny hafa ny tranonkala.
Ny asan'i Eddie angamba no lavitra indrindra amin'izay asa rehetra nataoko manokana tao amin'ny Global Voices – Miezaka mafy aho mba ho tsara kokoa amin'ny teny Espaniola ary mianatra teny frantsay ampy mba hivezivezena amin'ny fitsidihana matetika ataoko any amin'ireo namana ao amin'ny Sciences Po any Paris. Saingy resy lahatra tanteraka aho fa ny asa ataon'i Eddie sy ny Rising Voices mba hitahiry sy hampiroboroboana ny fiteny maro anjotra no anisan'ny asa lehibe indrindra hatramin'izay avy amin'ny vondrom-piarahamonintsika.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/22/173035/
|
Resadresaka nifanaovana tamin'ilay Keniàna poeta sy mpiventy tantara, Njeri Wangari
| 2024-12-22T06:27:29
|
Unknown
|
Njeri Wnagari nandray fitenenana tao amin'ny Mozfest Kenya 2023 momba ny fanarahamaso atao amin'ny daholobe – Saripika nahazoana alàlana taminy
Naverinay notsidihana ireo lohahevitra sasany vao haingana nandritra ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny Global Voices:
Mizara ny fahalinany sy ny eritreriny miovaova momba ireo olana isankarazany i Njeri Wangari. Isan'izany i Kenya amin'izao androntsika izao, ny hoavin'ny media sôsialy ary ny fanaovangazetin'olontsotra. Navoitran'i Njeri ihany koa ny fahalinany amin'ny fifaninanana hazakazaka an-tongotra, ny hetsika atao ivelan'ny efitrano, ny fitness , miampy ny firotsahany an-tsehatra amin'ny fampiroboroboana ny fahasambarana.
Azonao atao ny mahita misimisy kokoa mombamomba an'i Njeri ao amin'ny kenyanpoet.com Manana boky natao ho an'ny ankizy izy, izay hivoaka amin'ny faramparan'ity taona ity.
Afaka jerenao eto ny niandohana avy amin'ilay antsafa tamin'ny 2012 “When Change Comes” (Rehefa tonga ny fiovàna):
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/18/172759/
|
Ny fiantraikan'ny fandrahonana ho faty, ny fahaverezan'asa, ary ny tsy fisian'ny fiarovana an'ireo mpisintona lakolosy ao Afrika Andrefana
| 2024-12-18T11:54:42
|
Unknown
|
Solontena tao amin'ny fihaonambem-paritra momba ny fisintonana lakolosy sy ny fiarovana ireo mpisintona lakolosy ao Afrika Andrefana. Saripika avy amin'i Pamela Ephraïm . Fampiasàna nahazoana alàlana.
(Fanamarihana: Ny hoe “mpisintona lakolosy” ho hitanao ato anaty lahatsoratra dia tsy hafa fa mitovy hevitra amin'ny “mpandefa fanairana” mety ho hitanao any anaty lahatsoratra hafa)
Ny 26 sy 27 Novambra no notanterahana tao Abuja, Nizerià, ny fihaonambe voalohany momba ny fisintonana lakolosy sy ny fiarovana ireo mpisintona lakolosy ao Afrika Andrefana , teo ambanin'ny lohahevitra hoe “Fampihenàna ny kolikoly ao Afrika Andrefana: Ny lanjan'ny fisintonana lakolosy sy ny lalàna momba ireo mpisintona lakolosy.” Ilay fihaonambe, izay ny African Center for Media and Information Literacy (AFRICMIL) no nikarakara azy, dia namondrona ireo solontena avy amin'ny Network of Anti-Corruption Institutions in West Africa (NACIWA) – tambajotran'ireo andrim-panjakana miady amin'ny kolikoly, ireo mpiantsehatra fototra avy amin'ny fiarahamonim-pirenena, ny haino-vaky-jery, ny filaminana, ary ny fampiharana lalàna, sy ireo fikambanana miady amin'ny kolikoly, ireo masoivohom-panjakana, ary ireo fikambanana iraisampirenena isankarazany miasa ho an'ny fampandrosoana.
Manerana an'i Afrika, mbola ny kolikoly no sakana lehibe amin'ny fampandrosoana, mikiky ireo andrin'ny demaokrasia, mampihisatra ny firoboroboana ara-toekarena , mandray anjara amin'ny tsy fahamarinan-toeran'ny governemanta ary mamelona ireo heloka voaomana sy ny tsy filaminana ankapobeny . Ny Tondro Fahitàna ny Kolikoly ho an'ny taona 2023 – Corruption Perceptions Index (CPI) dia maneho fa sahirana mafy amin'ny fanaovana izay hirosoan'ny ady amin'ny kolikoly ny ankamaroan'ireo firenena afrikàna.
Noresahana tao anatin'ny fandaharampotoana ireo olana maika ao anatin'ny ady hisian'ny fiarovana ireo mpisintona lakolosy, isan'izany ny lahateny fototra iray momba ny fiantrakain'ny kolikoly amin'ny firoboroboana ara-toekarena sy ireo dingana demaokratika ao Afrika Andrefana, famelabelarana iray momba ny traikefam-paritra amin'ny fisintonana lakolosy sy ny fiarovana vavolombelona, ary fifanakalozan-kevitra momba ny fiarovana ireo mpisintona lakolosy.
Ny anjara toeran'ny mpisintona lakolosy amin'ny ady amin'ny kolikoly
Tamin'ny 2001, nandritra ny fivorian'ireo Filoham-panjakana sy Governemanta, natao tao Dakar , ny Economic Community of West African States (ECOWAS / CEDEAO) – fikambanana ara-toekaren'ireo firenena ao Afrika Andrefana – dia nandany Fifanarahana momba ny Ady atao amin'ny Kolikoly — andiana paikady natao hisorohana, hanafoanana ary hamongorana ny kolikoly ao amin'ny faritra. Tohizan'ireo Afrikàna Tandrefana mpikatroka io ady io, ary antenain-dry zareo ny hanamafy ireo fiarovana ny mpisintona lakolosy.
Raha nandray fitenenana tao amin'ilay fihaonambe, Kole Shettima, talen'ny Orina MacArthur ao Afrika, dia niteny fa:
Iray amin'ireo fitaovana lehibe afaka ampiasaina hanatsaràna ny rafitra fitakiana tamberin'andraikitra aty amin'ny faritra misy antsika ny fisintonana lakolosy. Mitaky fitaovana isankarazany ny ady amin'ny kolikoly ary tsy isalasalàna fa ny fisintonana lakolosy dia iray amin'ireny fitaovana ireny. Andraikitry ny olompirenena ny mitatitra ny heloka bevava ary nahita isika olona tonga nitoroka ireo fomba marobe fanaovana kolikoly nisy.
Mazava ho azy, ny politikan'ny fitorohana, araka ny fantatsika, dia manana ny fanamby azy manokana, ary izaho mihevitra fa ny fanamby lehibe hitantsika nandritra ireo taona maro dia ny olan'ny fiarovana. Haintsika fa marobe ny olona no efa nidiran'ny matsatso noho izy tonga hitoroka na nanao fitorohana olona sasantsasany izay nanao zavatra tsy nety tao anatin'ny ministera nisy azy, tany anatin'ny andrim-panjakana nisy azy ireo ary ny olan'ny fiarovana no azo antoka fa tena singa lehibe.
Tamin'ny Aogositra 2024, Wale Edun , minisitry ny fitantanambola ao Nizerià, nilaza hoe nisy hetsika fidirana an-tsokosoko nataon'ny governemanta ary nahafahana namerina 609 tapitrisa dôlara, sy 83 lavitrisa NGN ( 52,5 tapitrisa dôlara), ary 5 tapitrisa Euro ( 5,3 tapitrisa dôlara), tsirairay, niaraka tamin'ny fanampian'ny pôlitikany momba ny fisintonana lakolosy.
Ny toejavatra saropady misy an'ireo mpisintona lakolosy
Joseph Ameh, mpahay maritrano sady tale fahiny tao amin'ny sampana fandrindràna ny ara-batana tao amin'ny Federal College of Education tao Delta State, Nizerià, no nanazava ny helo niainany taorian'ny niampangàny kolikoly. Hoy izy tamin'ny Global Voices :
Tsy nohajaina velively ny dingana tamin'ny fandraisana ny mpiasa. Feno mpisandoka ho mpiasa voaray hitantana tetikasa. Nisy fotoana, nirodana ny tranobe iray. Ny tolona manontolo nataoko dia niompana tamin'ny fiarovana ny daholobe tsy ho tra-doza ary ny tolona fanampiny dia momba ny fiantraika ara-toekarenan'ireo fanaovana kolikoly. Raha raisina amin'ny heviny hoe, rehefa atolotra ny tetikasa iray, dia matetika no atao ambony be ny fanombanana azy. Alohan'ny hanombohan'ilay tetikasa mihitsy aza, dia efa alain-dry zareo ho any am-paosiny ny antsasaky ny vola nifanarahana. Tamin'ny Ôktôbra 2019, nanoratra aho ho an'ny Independent Corrupt Practices Commission (ICPC). Nandefasan-dry zareo taratasy ilay andrim-panjakana niasàko ary fotoana fohy taorian'izay, nanomboka ny helo niainako. Norahonana aho, noroahana ary narahana tanaty fiara. Efa im-betsaka aho no notambazana taratasim-bola an-tapitrisa maro, izay nolaviko.
Iray hafa mpisintona lakolosy niaritra zatra nitovitovy tamin'izany i Ntia Thompson , izay noroahana noho ny famborahana ny lazaina fa hosoka tao amin'ny Ministeran'ny Raharaha Ivelany ao Nizerià tamin'ny 2016, saingy taty aoriana dia naverina tamin'ny asany noho ny adisisika matanjaka nataon'ireo vondrona sivika.
Tao anaty resadresaka nifanaovany tamin'ny Global Voices, i Chido Onumah, mpandrindra ny AFRICMIL, izay ny fikambanana misy azy no nanao adisisika niaro ireo mpisintona lakolosy tamin'ny alàlan'ny tetikasany Corruption Anonymous , no nanizingizina ny filàna miaro azy ireny tsy hiharan'ny valifaty .
Noho ny fahasahiana nanao hetsika izay hita mibaribary fa fahatongavan-tsaina dia miatrika karazana valifaty maro ireo mpisintona lakolosy, miainga avy amin'ny fitsaratsaram-poana ka hatramin'ny fanavakavahana, fialàna amin'ny toeram-piasàna, famaizana ho nanao heloka bevava, ary ny fahafatesana anaty tranga fara-tampon'izay ratsy. Izany no mahatonga ireo mpisintona lakolosy ho karazan'olona tandindonin-doza, raha izay no itenenana azy. Ary tena iombonanay tanteraka ny hevitry ny vaomieran'ny ECOWAS hoe iray amin'ireo fomba tsara indrindra hanomezana fiarovana azy ireo ny fanomezan'ireo firenena mpikambana rafitra feno araka ny lalàna, amin'ny alàlan'ny fanaovana lalàna momba ny famborahana vaovao mahakasika ireo tsy fanarahan-dalàna sy fiarovana manoloana ny valifaty vokatr'ireo fanambaràna.
Ny filàna miaro ny mpisintona lakolosy
Tamin'ny Jolay 2016, nihaona tao Cotonou , Benin ny vaomieran'ny ECOWAS ary nanamafy ny ezaka ataony hiadiana amin'ny kolikoly ao amin'ny faritra, tamin'ny alàlan'ny fampahafantarana ny paikady fiarovan'ny ECOWAS ny mpisintona lakolosy sy ny drafitr'asa. Ny tena ifantohan'ilay paikady fiarovana ny mpisintona lakolosy dia fandrisihana ireo firenena mpikambana mba hamoaka lalàna iray hiarovana ireo mpisintona lakolosy mijery ny tombontsoam-bahoaka ho toy ny fomba iray hampihenana ny kolikoly sy hanatsaràna ny mangarahara ary ny fandraisana andraikitra ao Afrika Andrefana.
Tao anatin'ny kabariny fanokafana, ny prôfesora Etannibi E. Alemika, mpahay manokana momba ny heloka bevava no sady manampahaizana amin'ny resaka filaminana sy ny fitantanana ny tontolon'ny fitsaràna ady heloka, dia niantso ny handaniana lalàna iray henjana kokoa hiarovana ireo mpisintona lakolosy manerana an'i Afrika Andrefana mba hiadiana amin'ny kolikoly. Hoy izy:
Ny ilaintsika dia lalàna iray feno sy afaka miantoka ny tsy fanononana ny anarana, ny fiarovana tsy hiharan-doza, ary, raha ilaina, famindràna toerana ireo mpisintona lakolosy sy ny ankohonan'izy ireny.
Chido Onumah, mpandrindra ny AFRICMIL nanamarika fa “amin'ireo firenena 15 mandrafitra ny ECOWAS, Ghana irery no manana lalàna miaro ny mpisintona lakolosy . Tsy doka tsara izany ho an'ny ECOWAS, izay ny faritra ao anatiny dia tsy tapaka ny mahazo fampilaharana mampalahelo ao anatin'ny Tondro Fahitàna ny Kolikoly famoakan'ny Transparency International (CPI) ary ny ankamaroan'ireo firenena mpikambana no mbola heverina ho ny firenena tena mpanao kolikoly indrindra eto an-tany.”
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/18/172852/
|
Ny fiovaovan-toerana amin'ny krizin'ny fifindra-monina ao Afrika
| 2024-12-18T03:00:18
|
Unknown
|
Nyibol Mathiang Deng, 27 taona, sy ny zanany nahazo biscuit feno angovo avy amin'ny mpiasan'ny fanampiana rehefa tonga teo amin'ny sisin-tanin'i Sodàna Atsimo ao Majok Yinthiou. Sary avy amin'i Peter Caton avy amin'ny Action Against Hunger, nahazoana alalana.
Avy amin'i Dr. Charles E. Owubah
Bevohoka enim-bolana i Nyibol Mathiang Deng raha nanafika an'i Muglad , tanàna Sodaney nonenany ny andian-dehilahy mitam-piadiana. Noho ny tahotra ny amin'ny hahafatesan'ny sisa amin’ny fianakaviany, niafina niaraka tamin’ny zanany vavy izy. Tsy ela taorian'izay fa nanao dia naharitra efatra andro nandeha fiara sy môtô ary an-tongotra ry zareo, misedra kianja mikisilasila sy mizaka hafanana manevokevoka. Rehefa tonga tany Majok, any Sodàna Atsimo izy ireo nony farany, dia nisento tafahaona indray tamin’ny fianakaviany. Saingy niatrika hoavy manjavozavo tanteraka ry zareo.
Tsy irery i Nyibol amin'ny fahoriany. Raha ny marina, anisan'ny fahita kokoa ny niainany – izay miantraika lalina amin'ny kaontinanta Afrikana.
Varavarana mihodin'i Afrika
Noho ny fifandonana, ny fikorontanan'ny toetr'andro ary ny fahantrana, olona an-tapitrisany manerana an'i Afrika afovoany no voasinton'ny ranomodin'ny fifindra-monina. Ohatra, mitatitra ny Global Voices fa manosika ireo mpitsoa-ponenana an'arivony noho ny toetr'andro ho ao any amin'ny Tobin'ny Mpitsoa-ponenana ao Dadaab, Kenya ny hain-tany any Somalia. Na an-terisetra ny fifindra-monina na an-tsitrapo, dia miampita sisintany ny olona hitady fiarovana sy hirika, saingy sedra toe-javatra mahatsiravina — na ratsy kokoa — noho ny toerana nandosirany. Lasa varavarana mihodinkodina hatrany ho an'ny fifindra-monina sy ny fahoriana ny faritra.
Raha tsorina tanteraka ilay toe-javatra sarotra, hevero fa olona maherin'ny 100.000 no tombanana nandao an'i Tchad ho any Sodàna nandritra ny taona maromaro. Maro no sahirana nitady asa. Avy eo, nampitombo krizy maha-olona sy izay mety ho vonjy taitra amin'ny hanoanana ratsy indrindra eran-tany ny ady mitam-piadiana tao Sodàna . Raha manao izay hahamaivamaivana ny hirifiry ireo fikambanana misahana ny maha-olona, dia manify loatra ny ampela-tanana. Noho izany, angamba tsy mahagaga raha hatramin'ny nanombohan'ny ady amin'izao fotoana izao nanomboka volana avrily 2023, olona maherin'ny 821.300 avy any Sodàna no nitady fialofana tany Sodàna Atsimo.
Na izany aza, manana ny fanambiny manokana i Sodàna Atsimo, anisan'izany ny fifandonana, ny tondra-drano mahery vaika ary ny tsy fanjarian-tsakafo izay namindra toerana olona an-tapitrisany. Hatramin'ny faran'ny taona 2023, olona 2 tapitrisa no nifindra toerana tsy mivoaka firenena ary mpitsoa-ponenana 2,3 tapitrisa hafa any amin'ireo firenena manodidina noho ny toe-piainana tany Sodàna Atsimo. Ny sasany nandao an'i Sodana Atsimo kosa nankany amin'ny Repoblika Demokratikan'i Congo (RDC).
Na izany aza, miteraka tsy fandriampahalemana, hanoanana ary krizim-pahasalamana ara-tsaina ny fifandonana eo amin'ny tafika sy ny mpikomy ao RDC. Vokatr'izany, olona an'aliny no nandao an'i RDC ho any an-toeran-kafa, anisan'izany ny Repoblikan'i Afrika Afovoany . Indrisy anefa, misy toe-javatra tahaka izany koa nahatonga ny olona an-tapitrisany ao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany hifindra toerana, ary maro no tsy mahazo ireo zavatra fototra ilaina toy ny sakafo, rano ary fialofana. Vokany, maro no nandao ny Repoblikan’i Afrika Afovoany nankany Tchad . Ary dia samy mihodikodina eo daholo.
Tranonkalam-pifindramonina mifaningotsingotra
Mba hampazava azy, tsy indray mihodina tsy akory ny varavarana mihodinkodina. Toy ny tranonkala mifaningotsingotra samy mandeha amin'izay alehany. Samy manana isan'olona ny fifindrana ary tsy amin'ny fotoana iray no itrangàny. Ohatra, niverin-dalana tanteraka ny fifindrana avy any Tchad mankany Sodàna rehefa nivadika ho voina mahaolona ny ady tany Sodàna. Ankehitriny, tombanana ho iray tapitrisa ny mpitsoa-ponenana avy any Sodàna mankao Tchad — mitovy amin'ny hoe olona iray amin'ny olona 17 ao amin'ny firenena.
Mitana anjara toerana koa ny fampodiana an-tanindrazana. Ohatra, nandritra ny ady tany Sodàna Atsimo, fianakaviana maro no nifindra tany Sodana, izay azo niainana kokoa noho ny hararaotra ara-toekarena sasany, indrindra amin'ny fambolena sy ny asa tanana. Avy eo, rehefa nipoaka ny ady tany Sodana, dia efa ho 600 000 ny Sodaney Atsimo nody an-tanindrazany. Anisan'izany ireo ankizy izay tsy mbola nahalala an'i Sodàna Atsimo mihitsy ary matetika tsy manana fifamatorana ara-pianakaviana eo an-toerana mba hiaro sy hanohana azy ireo.
Na dia an'arivony aza no mandao ny firenena iray, dia an'arivony maro no mety hirohotra ao. Mbola betsaka kokoa aza ireo nifindra toerana fa tsy miala ny firenena, ao anaty sisin-taniny nefa tsy afaka mody. Mifindrafindra hatrany ny olona sasany, na anaty sisintany izany na miampita sisintany ho mpifindra monina na ho mpitsoa-ponenana. Mety hanjavozavo ny tsipika.
Ranomody iray mahatonga iray hafa
Tarihin-dranomody hafa mifandraika aminy io varavarana mihodinkodin-tena io. Krizin-kanoanana ny krizin-toetr'andro. Any an-Tandrok’i Afrika fotsiny, olona maherin’ny 36 tapitrisa no tratran’ny hain-tany izay nampihena ny vokatra sy niteraka mosary. Miharatsy ny fikorontanan-toetr'andro, miharatsy koa ny fifandonana — izay vao mainka manampy trotraka amin'ny toe-draharaha. Araka ny nomarihin'ny Fanapahan-kevitry ny Filan-kevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana 2417 , matetika loatra no ampiasaina ho fitaovam-piadiana ny hanoanana. Na eo aza ny Fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana, mahita ranomodin'ny ady mitondra hanoanana, sy hanoanana mitondra ady isika.
Manampy fahasahiranana ireo serivisy fototra efa difotra ireo olona niverina, miaraka amin'ireo Sodaney mpitsoa-ponenana ka mety hiteraka fifandirana bebe kokoa. Tena tsy ampy mihitsy ny setriny avy amin'ny vondrom-piarahamonina maneran-tany. Maharanga fatratra ny halehiben'ity krizy ity: miantraika amin'ny olona 45 tapitrisa eo ho eo izany ary nisondrotra 14 isanjato.
Manondro ny tsy fahombiazana lalina kokoa ara-drafitra ity tsingerina (ranomody) tsy manam-pahataperana ity izay mahatonga ny olona voahilikilika indrindra eran'izao tontolo izao ho marefo kokoa.
Manoka-baravarana mankany amin'ny soa fanararaotra
Asehon'ny fikarohana hatrany fa mety hitondra soa ho an'ireo vondrom-piarahamonina mpampiantrano ireo vao tonga, anisan'izany ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana, ao anatin'izany ireo mety ho tombony ara-toekarena any amin'ny firenena antonony sy kely fidiram-bola. Saingy, mety hanakely akora sy fitaovana anaty fotoana fohy ny fifindramonina raha tsy tsara tantana. Soa ihany fa misy maodely mahomby hamahana ireo fanamby ireo, ary misongadina ho fitaratra mety ho an'izao tontolo izao i Ogandà.
Mampiantrano mpitsoa-ponenana manodidina ny 1,7 tapitrisa avy amin'ny firenena folo mahery i Ogandà. Mifantoka amin'ny fanamorana fidirana amin'ny serivisy ho an'ny daholobe ny lasitrasa antsoina hoe Drafi-Piatrehan'ny Firenena Ogandà ny Fialokalofana (UCRRP), manatsara ny fizakan-tena sy ny fampiroboroboana ny fiaraha-miaina amin'ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano. Mitaky fanohanana bebe kokoa avy amin'ireo mpisehatra amin'ny fampandrosoana koa ity rafitra ity hanamafisana ny rafi-panjakana. Manana anjara toerana lehibe ihany koa ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa toa ny Action Against Hunger . Nanampy fianakaviana tsy hita isa mitady fialokalofana any Ogandà, ohatra , ny Action Against Hunger mba hametraka faka ao amin'ny vondrom-piarahamoniny vaovao. Mety tafiditra ao anatin'izany ny fanomezana fiofanana ara-pambolena ho an'ny fianakaviana hamboleny ny sakafony manokana, fiofanana arak'asa sy fiofanana ho an'ny tanora, ary atrikasa fanabeazana ara-pitantanam-bola, ankoatra ny fandaharan'asa hafa. Na izany aza, voafetra ny loharanon-karena.
Mila mampitombo haingana ny vatsy fanampiana maha-olona ny vondrom-piarahamonina maneran-tany sy mampiasa vola amin'ny fandaharan'asa voaporofo, toy ny fambolena mety tsara amin'ny toetrandro, izay afaka isorohana ny fifindra-monina. Na izany aza, tamin'ny taona 2023, tsy nahazo afa-tsy 35 isanjato n'ny vatsy nangatahany ho an'ny programa mifandraika amin'ny hanoanana ireo firenena miatrika krizin'ny hanoanana. Raha lazaina amin'ny teny hafa, manodidina ny 65 isanjato ny fahabangana ara-bola manoloana ny hanoanana. Tokony hahakasika izay rehetra te hiaina ao anatin’ny tontolo milamina sy mirindra izany toe-javatra izany.
Nyibol Mathiang Deng, 27, sy ny zanany nandray biscuits mitondra hery avy amin'ny mpiasan'ny fanampiana rehefa tonga tao an-tsisitany Sodàna Atsimo ao Majok Yinthiou. Saripika avy amin'i Peter Caton avy amin'ny Action Against Hunger, nahazoana alalana.
Soa ihany fa nitondra azy ho any amin'ny toerana iray ahafahany manomboka indray ny dian'i Nyibol. Nifindra tany Kuajok , Sodana Atsimo izy sy ny fianakaviany, noho ny fanampian'ny fikambanana mpanao fanampiana, ary manantena ny hiverina amin'ny fambolena any izy raha vao miverina ny orana. Na dia eo aza ny fanamby atrehany amin'ny fanarenana ny fiainany, dia mbola tapa-kevitra sy be herim-po i Nyibol. Na izany aza, raha tsy misy ny fanovana rafitra ary ampy ny famatsiam-bola, olona an-tapitrisany toa an'i Nyibol no ho tafahitsoka ao anatin'ny varavaran'ny fifindra-monina mihodinkodina.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/12/171974/
|
Nizerià sy Kenya: Sakana araka ny lalàna mibahana ny ady amin'ny famonoana vehivavy
| 2024-12-12T06:08:40
|
Unknown
|
Fanaingoana avy amin'ny Minority Africa, Fampiasàna nahazoana alàlana.
Ity dia tantara nosoratan'i Wambui Mwaura, ary navoaka voalohany tao amin'ny Minority Africa tamin'ny 10 Septambra 2024. Dika nohafohezina no averina avoaka etoana ho ampahany amin'ny fifanarahana hifampizara votoaty.
Manerana an'i Afrika, maty vonoina amina taha manaitra ireo vehivavy, matetika dia ataon'ireo olona miaraka aminy ihany, na lehilahy ao anivon'ny fianakaviana. Tamin'ny 2022, mampalahelo fa tao amin'ilay tanibe no tarehimarika ambony be tamin'ny famonoana vehivavy nataon'ireo olona akaiky azy indrindra na mpikambana ao anivon'ny fianakaviana, vehivavy sy ankizivavy 20.000 teo ho eo no voavinavina ho namoy ny ainy.
Any Kenya, ohatra, ireo tatitry ny media dia milaza fa mitombo be ny isan'ny trangam-pamonoana vehivavy nataon'ireo olona akaiky indrindra azy. Mampalahelo fa ilay mpihazakazaka ôlaimpika Rebecca Cheptegei no iray tamin'ireo niharam-bono vao haingana tamin'ny famonoana vehivavy . Kanefa, tsy misy rafitra ôfisialy natao hanjohiana ireo vehivavy rehetra niharan'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy, indrindra fa ny famonoana vehivavy.
Araka ireo antontanisa navoakan'ny Africa Data Hub , izay mitsirika ireo tranga famonoana vehivavy voatatitra an-gazety, vehivavy sy ankizivavy 546 no maty vono tao Kenya teo anelanelan'ny 2016 sy 2023. Ireo trangana herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na vavy sy ny famonoana vehivavy, izay endrika faratampon'ny herisetra noho ny maha-lahy na maha-vavy, no nibahan-toerana teny anaty vaovao tany am-piandohan'ny taona 2024.
Nihoatra ny folo ireo vehivavy namoy ny ainy noho ny herisetran-dehilahy tamin'ny Janoary 2024 fotsiny. Tranga roa niavaka tamin'ny famonoana vehivavy, izay nisongadina tanaty vaovao tamin'io volana io, ny an'i Scarlet Wahu, izay maty novonoina tamin'ny 3 Janoary, ary ny an'i Rita Waeni, maty novonoina tamin'ny 14 Janoary. Ny fahafatesan'izy ireo dia niteraka ireo fihetsiketsehana goavana indrindra voarakitra tao Kenya hanoherana ny famonoana vehivavy , izay nitranga tany amin'ireo tanàna maro sy ireo distrika samihafa tamin'ny 27 Janoary, nahitàna ireo mpikatroka nitaky tamin'ny governemanta mba hanambara ny famonoana vehivavy ho krizy nasiônaly. Ilay hetsipanoherana tao Nairobi dia nomena anarana hoe #TotalShutDownKe.
Ny zavamisy hoe tsy voasazy ireo trangana famonoana vehivavy, na ahemotra ny fitsaràna, dia tsy ho an'i Kenya irery ihany fa miparitaka manerana an'ireo firenena afrikàna hafa, isan'izany i Nizerià. Vinavinaina ho 401 ny tranga famonoana vehivavy tao Nizerià fotsiny ho an'ny taona 2022 samirery.
Olana ara-drafitra
Ny 14 Desambra 2023, Naftali Kinuthia dia voaheloka 40 taona an-tranomaizina noho ny famonoana an'i Ivy Wangechi. Wangechi dia mpianatra ho mpitsabo tao amin'ny taona fahadimy, Oniversiten'i Moi ao Kenya, izay maty novonoina teo am-bavahadin'ny toeram-pianarany taorian'ny nandavany ny fandrobohan'i Kinuthia. Taorian'ny fitsaràna naharitra efatra taona tao amin'ny Fitsarana Ambony ao Eldoret dia voaheloka i Kinuthia . Kiroko Ndegwa no mpisolovava ny mpitory tamin'ilay tranga, izay lasa raharaha nasiônaly sy iraisampirenena .
Iray amin'ireo olana lehibe sedrain'ny rafi-pitsarana ao Kenya, raha vao resaka fanenjehana noho ny famonoana vehivavy, ny hoe matetika ilay izy no miafara amina dingam-pitsaràna ela be. Amin'ny tranga sasany, tena lava be izany ka mahatonga ny fianakavian'ireo niharam-bono ho very fanantenana amin'ny fitadiavana ny rariny ho an'ny havan-dry zareo.
Nandritra ny antsafa iray tao amin'ny biraony, nilaza i Ndegwa fa ilay fotoana mihitatra lava be tamin'ny “raharaha Ivy Wangechi” dia noho ny famindràna ny filohan'ny tribonaly teny antsefantsefan'ilay dingam-pitsaràna.
“Niteraka fahasarotana teknika sy ara-pitsaràna marobe io, indrindra fa fahafahana manomboka hatrany am-boalohany ny fotoam-pitsarana,” hoy i Ndegwa mahatsiaro. “Marina indrindra izany satria i Winfred Waithera King’ori renin'ilay maty, dia nitaraina tamin'ny fampahalalam-baovao momba ny fihisaran'ny dingana ary nanambara ny ahiahiny hoe mety tsy hahazo rariny ho an'ilay zanany vavy maty novonoina.”
Nanazava misimisy kokoa i Ndegwa: “Ny fanamby amin'io dia, raha toa ianao misafidy ny hanohy amin'ny teboka nijanonanao, avy eo ilay mpitsara vaovao tsy mahavita ny mifanerasera amin'ireo vavolombelona, na mandinika ny fitondrantenan-dry zareo. Etsy ankilany, raha toa hanomboka hatrany amin'ny voalohany ianao, (“de novo”) misy (ny) finoana fa toa hihena ny hafanampon'ny sasany amin'ireo vavolombelona, ary hiafara amin'ny hoe vavolombelona kivy no hita(-nao).’’
Ny olana iray ara-drafitra mikiky ny fitsaràna ao Kenya amin'ny resaka fanenjehana ny famonoana vehivavy dia ny fameran'ny fitsarana ny fandraisana anjaran'ny fianakavian'ny niharam-bono mandritra ireo dingana. Ny rafi-pitsaràna ao Kenya, araka ny nohazavain'i Ndegwa, dia tsy miraharaha ny fianakavian'ireo niharam-bono, na eo aza ny voalazan'ny andininy faha-50, andalana faha-7 ao amin'ny lalàm-panorenana, izay milaza “fa manana zo hohenoina ihany koa ny fianakavian'ireo niharam-bono.”
“Feran'ireo manampahefana ara-pitsaràna ny fandraisan'izy ireny anjara, na misy andininy milaza izany aza ny lalàna. Matetika no omena mpisolovava avy amin'ny fanjakàna ilay voampanga raha toa ka tsy manana vola hakàna izany, saingy raha ny mahazatra dia tsy omena izany haja izany ireo fianakavian'ny niharam-bono,” hoy ny nomarihan'i Ndegwa.
“Fanampin'izay, amin'ireo tranga famonoana vehivavy ao Kenya, mazàna ireo vavolombelona no matahotra ny ho faty rehefa omen'ny fitsaràna fahafahana vonjimaika takalozam-bola ny voampanga”, hoy i Ndegwa. Nambarany fa nisy ny tranga nahazo fahafahana vonjimaika ireo nahavanon-doza rehefa nandoa vola ka mitarika ireo vavolombelona hisalasala hijoro ho vavolombelona na tena hihemotra mihitsy. Indraindray, tsy henoina akory ireo tena vavolombelona fototra.
Araka ny tatitra iray avy amin'ny African Data Hub , mila eo amin'ny 1.900 andro eo ny fitsaràna raharaha iray mahakasika famonoana vehivavy ao Kenya, taorian'ny nisamborana ny nahavanon-doza. Tamina tranga marobe, mangataka fanemorana tsy misy dikany ny mpisolovva ny voampanga, miteraka fahataràna goavana amin'ny fahazoana ny rariny ho an'ireo fianakavian'ny niharam-bono. Matetika io tetikady io no miasa manimba ny raharaha, noho izy manakivy ireo vavolombelona izay leo mivesatra ny saram-pitaterana sy ny fotoana takian'izany.
Matetika io no mitarika ho amin'ny fanemorana ny fitsaràna ary, amin'ny raharaha sasany, ho amin'ny fahadisoana ara-pitsaràna. Amin'ny fotoana maro, raha vao avy amina fianakaviana matanjaka na manankarena ny voampanga, dia zavatra mahazatra ny fahitàna fandrahonana vavolombelona avy amina fianakaviana antonontonony. Ny tsy fahavitàn'i Kenya mametraka amin'ny toerany sampandraharaha iray mahomby ho fiarovana ny vavolombelona dia singa lehibe iray koa manazava ny antony mahatonga ireo vavolombelona tsy hipoitra. Hatramin'ny 2016, nisy mihoatra ny 500 ireo tragana famonoana vehivavy tao Kenya; didy 13 monja no nivoaka.
Toy io koa no manjo ireo hafa any Nizerià, izay voatery mandao ny fikatsahan-dry zareo ny rariny noho ny fahabangàn'ny rafitra.
Misy sakana goavana apetraky ny lalàna nizeriàna tsy hahazoana rariny ho an'ireo niharan'ny famonoana vehivavy. Mifanohitra amin'ny mahakasika famonoana olona, tsy misy ao Nizerià ny lalàna manokana mandray an-tànana ny famonoana vehivavy.
“Tsy ao anatin'ny rakibolantsika momba ny lalàna (ny Famonoana Vehivavy). Mila apetraka araka ny lalàna ny famonoana vehivavy satria rehefa tsy faritana mazava tsara ny heloka bevava iray, dia tsy afaka hanjaka ny rariny,” hoy i Ololade Ajayi, mpanorina ny Orina DOHS Cares , fikambanana iray izay mpanao adisisika ho an'ny zon'ny vehivavy sy ny ankizy.
“Araka izany, ny fampanoavana dia voatery mampilahatra azy io amin'ireo vesatra natao ho an'ny vono olona, izay mety tsy hahalaza tanteraka ny antony mifototra amin'ny mahalahy na maha-vavy,” hoy izy manampy.
Ny 4 Aprily 2024, nivoaka nanao rodobe ny Orina DOHS Cares sy ireo mpiara-dia aminy hitaky ny rariny tamin'ny nahafaty ireo ankizivavy sy vehivavy an'aliny maro vokatry ny famonoana vehivavy. Nandrafitra tolodalàna ilay fikambanana ary napetrany teny amin'ny antenimieram-panjakàna ao Lagos. Tanjon'ilay tolodalàna ny hameno ny banga ao anatin'ny lalàna nizeriàna izay manakana ny rariny tsy hanjaka, ary ny hanao izay hankatoavana ny famonoana vehivavy ho toy ny heloka bevava ao Nizerià.
Raha mbola mitohy ireo ezaka fandresena lahatra sy hetsipanoherana, mbola mitoetra kosa ireo fanontaniana hahafantarana raha toa ny governemantan'ireo firenena ireo ka hametraka izay fanavaozana ilaina, hiantohana fa hahazo ihany ny rariny ho an'ny havany ireo fianakavian'ny niharam-bono tao Kenya sy Nizerià.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/16/172829/
|
Fa inona no tsy ahafahana mamongotra tanteraka ny lefakozatra eto Afrika?
| 2024-12-16T03:11:46
|
Unknown
|
Mpanampy mpitsabo manao vaksiny zaza iray any Accra, Ghana, tamin'ny taona 2020. Sary azon’ ny rehetra ampiasaina
Avy amin'i Keletso Thobega
Tamin'ny volana aogositra 2020, nambara ho afaka amin'ny poliovirus (dia) i Afrika , aretina tsy nahafahan'ny ankizy an'arivony manerana ny kaontinanta nanetsi-batana teo aloha. Dingana lehibe izany amin'ny ady amin'ny lefakozatra, izay nanomboka namongoran'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fahasalamana (OMS) ny Lefakozatra tamin'ny taona 1988 . Nampisy fihenana trangan'aretina lefakozatra vaovao hatramin'ny 99 isanjato manerantany ity fasantaran'andraikitra ity.
Nipoitra tany amin'ny faritra atsimon'i Afrika, na izany aza, ny fiofoan'(aretina) vaovao avy tamin'ny vaksiny , izay mifandraika amin'ny fahavitsian'ny fanaovam-baksiny.
Nandritra ny antsafa anjotra nifanaovana tamin'ny Global Voices, nanasongadina fanamby maromaro manakana ny famongorana tanteraka ny lefakozatra ny manampahaizana ara-pahasalamana sasany miasa ao amin'ny kaontinanta. Nosoritan'izy ireo fa tsy maintsy mihoatra noho ny fanentanam-baksiny ny ezaka famongorana mahomby hampidirana ny fanamafisana ny rafi-pamatsiana, hiantohana fa mahatratra ireo vondrom-piarahamonina lavitra indrindra sy saro-dalana indrindra manerana an'i Afrika ny fanabeazana sy ny vaksiny.
Nizara tsikaritra momba ny antony sy ny fomba nanamafisan'izy ireo ny rafi-pamatsiana ny Village Reach, fikambanana tsy mitady tombombarotra mifantoka amin'ny fanatsarana ny vokatra ara-pahasalamana sy ny fahafahan'ireo vondron'olona kely karama sy kely fidiram-bola miditra servisy.
Nilaza tamin'ny Global Voices i Luciana Maxim, talen'ny Health Supply Chain and Lab System Strengthening ao amin'ny Village Reach, fa nahazo famatsiam-bola avy amin'ny Global Polio Eradication Initiative (GPEI) izy ireo tamin'ny faran'ny taona 2021, mba hanaovana tombam-pirenena momba ny rafi-pitaterana ireo santionan-daboratoara amin'ny lefakozatra amin'ny firenena maro manerana an'i Afrika. Araka ny filazan'i Maxim, ratsy fotodrafitrasam-pitaterana ny faritra maro ao Afrika — indrindra ny faritra ambanivohitra — izay manasarotra ny fahatongavana any amin'ireo vondrom-piarahamonina ireo.
Misy lavadavaka na tsy vita rarivato , ohatra, ny lalana sasany amin’ny faritra sasany, ka sarotra ny fandehanana any amin’ny alalan'ny fiara. Tsy maintsy mitady fomba hafa hizarana vaksiny ny mpiasan'ny fahasalamana amin'ireo toerana ireo, izay mety handany fotoana na vola be, toy ny bisikileta na angidimby.
Mitranga izany fanamby ara-pitaovana izany amin'ny fotoana sy ny kalitaon'ny fitaterana ireo santionan-daboratoara, ao anatin'izany ny santiona an'olombelona sy tontolo ahiana ho voan'ny lefakozatra. Asarotin'ireo fanamby ireo ny hanarahana ny torolalan'ny OMS tokony handefasan'ny mpiasan'ny fahasalamana any amin'ny laboratoara lefakozatra nasionaly na iraisampirenena ao anatin'ny telo andro ireo santiona voan'ny aretina.
Nilaza tamin'ny Global Voices i Tsedeye Girma, mpandrindran'ny UNICEF amin'ny fiatrehana ny fihanaky ny lefakozatra maneran-tany, fa nampiasa fomba fitaterana isan-karazany araka ny zava-misy izy ireo hitondrana vaksiny lefakozatra any amin'ireo tobim-pahasalamana lavitra indrindra. “Tafiditra ao anatin'izany ny kamiao mibaby vata fampangatsiahana, môtô, sambo, biby mpitondra entana, ary an-tongotra ihany koa,” hoy izy. Nampiany fa nampiasa drôna mihitsy aza izy ireo any amin'ny firenena sasany, toa an'i Malawi sy Mozambika, mba hanaterana vaksiny.
Nohazavain'i Girma antsipiriany ny fomba nifehezana haingana ny tranga lefakozatra (niofo) tamin'ny vaksiny tany Atsimon'i Afrika:
Once wild polio was detected again particularly in Malawi and Mozambique in early 2022, everyone went into emergency mode to contain these outbreaks. It was imperative to get samples to the labs as soon as possible, to raise awareness at the community and health worker level, and to catch up all children on their routine immunizations post-COVID19. We were part of these efforts, and the wild polio outbreaks were contained quickly that same year, she noted.
Raha vantany vao hita indray indrindra tany Malawi sy Mozambika tamin'ny fiandohan'ny taona 2022 ny lefakozatra -dia-, dia nihotakotaka ny rehetra mba hifehezana ireo valan'aretina ireo. Tena nilaina ny nakana santionany entina amin'ny laboratoara haingana araka izay azo atao, mba hanairana ny sain'ny fiaraha-monina sy ny mpiasan'ny fahasalamana, ary hanatratrarana ny ankizy rehetra hanao ny fahazarana fisorohana post-COVID19. Anisan'ireo ezaka ireo izahay, ary voafehy haingana ny valan'aretina lefakosatra tamin'io taona io ihany, hoy izy nanamarika.
Nasongadin'i Maxim fa firenena 13 amin'ny 15 niasany hatramin'izay no tratran'ny valan'aretina lefakozatra azo avy amin'ny vaksiny . Ny poliovirus azo avy amin'ny vaksiny (VDPV) dia karazana otrikaretina lefakozatra tsy fahita firy izay mivoatra avy amin'ny viriosy velona malemy ampiasaina ho vaksiny polio alefa am-bava (OPV). Natao hanentana ny hery fiarovana sy hanorina aro amin'ny polio ity viriosy velona ity. Na izany aza, raha mivezivezy any amin'ny vahoaka tsy nahazo na tsy ampy hery fiarovana elaela izy io na mitombo sy misosoka hatrany ao amin'ny olona iray tsy ampy hery fiarovana, dia mety hiova ary hahazo hery indray ny hiteraka aretina.
Nanampy i Maxim:
We quickly realized that, in order to help suppress outbreaks, we need an integrated approach that ensures samples for all outbreak-prone diseases reach labs within days. We took every opportunity to integrate resources, staff and data across diseases and across health system functions.
Tsapanay haingana fa, entina hanafoana ny fiparitahana, dia ilaina ny fomba fiasa ahafahana mitondra haingana ireo santionan'aretina miely any amin'ny laboratoara ao anatin'ny andro vitsivitsy. Araraotinay avokoa ny fotoana rehetra mba hiasa avokoa ireo fitaovana, olona ary angondrakitra amin'ny aretina sy amin'ny fiasan'ny rafi-pahasalamana.
Nilaza i Girma fa ilaina ny fitsinjaram-pahefana sy fifandraisana amin'ny vondrom-piarahamonina.
Nanazava izy hoe:
We take a community-centric approach in engaging local communities as active partners in the fight to end polio. We recruited and trained thousands of local community members including traditional leaders, religious leaders, polio survivors, women groups, youth, and other community influential people to work as polio outreach workers and mobilizers.
Ny fiarahamonina eo an-toerana no tena iasanay ho mpiara-miombon'antoka mavitrika amin'ny ady amin'ny lefakozatra. Nandray sy nampiofana olona an'arivony teo an-toerana izahay, anisan'izany ny mpitarika nentim-paharazana, ny mpitondra fivavahana, ireo sisa navelan'ny lefakozatra, ny fikambanam-behivavy, ny tanora, ary ireo olona manana ny maha-izy azy eo amin'ny fiaraha-monina mba hiasa amin'ny maha-mpitsabo sy mpanentana momba ny lefakozatra.
Vehivavy mamelotena ny ankabeazan'ny tokantrano eto Afrika, ary vehivavy ny ankamaroan'ny mpanentana fiarahamonina momba ny lefakozatra, izay tena ilaina any amin'ny faritra tsy ahafahan'ny lehilahy mpiasan'ny fahasalamana miditra tokantrano.
This approach makes all the difference in getting the message across and ensuring children get vaccinated, Girma added.
Hafa mihitsy io fomba fiasa io amin'ny fampitan-kafatra sy hahatonga ny zaza ho vita vaksiny, hoy i Girma nanampy.
Mba hahalasa lavitra ny fanentanana vaksiny, niezaka ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon'antoka hafa handrafitra hafatra amin'ny fiteny maro eo an-toerana, saingy mbola mitohy ny sakana amin'ny fiteny eo amin'ny fanentanana momba ny vaksiny polio . Matetika amin'ny megaphone itenenan'ny mpanentana ao an-tanàna sy amin'ny fiara mpanao filazana mamakivaky ny vondrom-piarahamonina iray mankany amin'ny iray hafa ireo hafatra ireo.
Mbola sakana lehibe amin'ny fanatratrarana ny ankizy ihany koa ny fampahalalana diso momba ny vaksiny. Nilaza i Girma fa manana anjara toerana lehibe ny mpanentana vondrom-piarahamonina, mamaly ny olan'ny ray aman-dreny sy ny olan'ny mpikarakara momba ny vaksiny mandritra ny fitsidihana.
“Mampiasa fitaovana fihainoana ara-tsosialy ihany koa izahay hanaraha-maso sy hanoherana ireo vaovao diso momba ny vaksiny na anjotra na ivelanjotra. Manentana mpilatsaka an-tsitrapo anjotra maherin'ny 70.000 maneran-tany ny fandaharan'asam-pirobohan'ny fiaraha-monina nomerika an'ny UNICEF hanoherana fandisoam-baovao ary hanome ny vaovao marina sy ara-potoana momba ny vaksiny.” Lainga mahazatra sasany ren-dry zareo ny filazana fa maharary sy miteraka aretina ny vaksiny, mampihena ny hery fiarovana, natao hanaovan-dratsy ny tanora, na tsy azo ekena ara-kolontsaina na ara-pivavahana.
Tamin'ny hafatra iray hanamarihana ny andro iraisampirenena momba ny lefakozatra 2024 , nitatitra ny talem-paritry ny OMS ho an'i Afrika, Matshidiso Moeti, fa nahitana tranga lefakozatra karazany faha-2 miisa 134 tamin'ny taona 2024 fotsiny tamin'ny 5 septambra. Voamarika no mivezivezy ao Burkina Faso, Kamerona, Repoblikan'i Afrika Afovoany, Tchad, Mali, Niger, ary Nizeria ny karazany mivezivezy any.
Satria mitohy ny ezaka famongorana ny lefakozatra, dia naneho fanantenana i Maxim sy i Girma fa hiara-hiasa ny governemanta, ny sehatrasa tsy miankina, ary ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana mba hiadiana amin'ny vaovao diso momba ny vaksiny. Nantintranterin-dry zareo ihany koa ny fanaovana ny famatsiam-bola ho laharam-pahamehana hanamafisana ny rafi-pamatsiana, mba ho ara-drariny manerana ny kaontinanta ny fahazoana vaksiny sy serivisy fitsaboana.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/12/11/172722/
|
Kameroney iray mpanao gazety, mamerina manoritsoritra ao anaty fanadihadiana iray ny tontolon'ny krizy pôlitika Ivoariàna tamin'ny 2010-2011
| 2024-12-11T09:56:17
|
Unknown
|
Côte d'Ivoire anaty ampahan-tsarintanin'ni Afrika Andrefana; pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny imineo Documentaries
Matetika lalovana krizy pôlitika henjana i Côte d'Ivoire. Ny farany indrindra izao dia tamin'ny 2010-2011 , izay lohahevitry ny fanadihadiana iray mamerina manoritsoritra ireo tranga tamin'io vanim-potoana io.
Tamin'ny Ôktôbra 2000, lany ho filohan'ny Repoblikan'i Côte d'Ivoire i Laurent Gbagbo , kanefa zara raha nisy taona roa taorian'ny nandraisany ny fahefana, nipoaka ny krizy iray ary nisy fihokona iray nataon'ny tafika hanandramana hanongana azy . Tsy nahomby ilay fikasàna saingy na izany aza dia tsy kivy ireo mpihoko talohan'ny nanasoniavana tamin'ny farany ireo fifanarahana fandriam-pahalemana tamin'ny 2007. Nambara araka izany ny hanaovana fifidianana ho filoham-pirenena, saingy im-betsaka nahemotra mandra-pahatongan'ny 2010.
Tena natao tokoa tamin'y 2010 ny fifidianana , saingy nampizarazara ny vahoaka ireo vokatra ary nitranga ny krizy iray vaovao taorian'ny fifidianana . Ny 28 Novambra, i Alassane Dramane Ouattara no nambaran'ny Commission électorale indépendante (CEI), saingy rantsana iray hafa ôfisialy anefa, ny Filankevitra araka ny Lalàm-panorenana, no nanambara an'i Laurent Gbagbo ho mpandresy. Io toejavatra io dia nitarika ho amin'ny fifandonan'ny andaniny sy ankilany sy tsy filaminana ara-pôlitika naharitra dimy volana . Ny niafaràny, nosamborina i Laurent Gbagbo ary napetraka ho amin'ny toerana maha-filoha i Alassane Ouattara. Herisetra marobe no nanamarika an'io vanim-potoana io: famonoana , fisamborana, famindran-toerana tany amin'ny andaniny sy ankilany.
Ny 28 Novambra 2024, mankalaza ny niantombohan'io vanim-potoana matroka teo amin'ny tantarany io ny vahoaka ivoariàna. Mba hahatakarana tsara ny toejavatra manodidina azy sy ny fiantraikan'io daty io, ny Global Voices dia nitafa tamin'i Sévérin Aléga Mbele , Kameroney mpanao gazety nanatontosa fanadihadiana iray mitondra ny lohateny hoe “ Ny fihetsiketsehana momba ny fandriam-pahalemana ao Côte d’Ivoire ”. Ilay sarimihetsika maharitra 52 min dia manome fitenenana ho an'ireo tanora, ireo izay niverina avy amin'ny sesitany an-tery, ary ireo mpisehatra isankarazany amin'ny fampihavanam-pirenena.
Ao amin'io sarimihetsika io, mampahatsiahy i Emmanuel Djidja Kouadio, iray amin'ireo tanora sy vavolombelon'ny zavanisy:
Tokony ho fantatry ny rehetra fa tsy ady anaty ringa ny fifidianana ka hoe samy haneho ny tanjany ara-batana ny tsirairay, fa ideôlôjia sy tetikasam-piarahamonina no asongadina. Rehefa ilay nifanandrina taminao no nibata ny fandreseana, manatona ianao ary miarahaba azy. Amin'izay irery ihany ho hanànana fandriam-pahalemana maharitra sy tsara faka.
Jean Sovon (JS): Inona no tantarain'ilay sarimihetsikao?
Sévérin Aléga Mbele (SAM) : Tantarana tovolahy iray ivoariàna no tantaraiko. Voatery niaina an-tsesitany izy, tany amin'ny vohitra iray ao Ghanà antsoina hoe Nougoua, any amoron'ny Tanoé, noho ny krizy pôlitika tao Côte d’Ivoire teo anelanelan'ny 2010 sy 2011.
Tamin'ny 2020, ho tombontsoan'ny vanimp-potoanan'ny fitoniana ara-pôlitika, teo anelanelan'ny fisalasalàna sy ny fanantenana, dia nanapaka hevitra ilay maherifontsika ny hiverina an-tanindrazana. Tany amin'ny morontsiraka afovoany-andrefana izy no niditra tao Côte d’Ivoire, tamin'ny fotoana izay nanombohan'ireo manampahefana tao Abidjan ny dingan'ny fampihavanam-pirenena.
Tsotra be ilay fitantaràna, saingy raha ny marina, ny dia nizoran'ilay mpilalaontsika fototra dia ny an'ireo Afrikàna marobe izay miverina an-tanindrazany eo anelanelan'i Kamerona sy Nizerià, avy any Kigali mankany Roandà na ny vondronosy Bakassi, taorian'ny fifandonana mitam-piadiana nandravarava.
JS: Inona avy ireo fanamby tamin'ny nanatontosàna ity fanadihadiana ity? Ho ao amin'ny YouTube fotsiny ve ilay fanadihadiana sa ho alefa anaty efitrano?
SAM : Mazava ho azy fa anisan'ireo fanamby tany am-boalohany ny maha-saropady an'ilay lohahevitra. Kameroney aho, nefa handeha hamokatra any Côte d'Ivoire, any an-tany hafa. Tsy maintsy natao ny nandresena lahatra ireo manampahefana ivoariàna sy ny masoivohon'i Kamerona ao Abidjan momba ny maha-mitombina tsara ny famokarana haino aman-jery momba ny fihetsehan'ny fandriam-pahalemana ao Côte d’Ivoire.
Anisan'ny ao anatin'ilay famatsiambolan'ny Fiombonambe Afrikàna (UA) ho an'ny media io tetikasa io, noho izany dia nilaina ny nandresy lahatra ny UA momba ny tombony entin'io sarimihetsika io. Nandalo an-tanan-tohatra maro ny feo. Soa ihany, nekena ny vokatra farany izay afaka jerena eny amin'ireo sehatra toy ny Facebook sy YouTube. In'efatra sahady raha kely indrindra ny talen'ny onjampeo Cameroun Radio Télévision (CRTV) no nandefa io sarimihetsika io. Ankoatra izany, misy dika nalefa ho an'ny UA sy ny Mpanelanelana amin'ny fanjakàna ao amin'ny Repoblikan'i Côte d’Ivoire.
JS: Nahoana no nisafidty ny hanao fanadihadiana iray?
SAM : Nosafidianay ny fomba firoso manao fanadihadiana mifototra amin'ireo fotokevitry ny asa fanaovana gazety manorina. Izy io dia fanadihadiana manazava sy manome fomba fijery iray momba ny tranga iray manan-tantara.
Asongadin'ny krizy ivoariàna ny fifanolanana eo amin'ireo mpisehatra ara-pôlitika, izay misy fiantraikany marobe: fahafatesan'olona, fifindran-toeran'ny vahoaka.
Araka ny voalazan'i Sévérin Aléga Mbele , iray amin'ireo tanjon'ilay sarimihetsika ny hanaporofo ny fahafahan'ny Afrikàna miray latabatra, ny ho afaka hifampiresaka hitrandraka vahaolana na eo aza ireo takaitran'ny fifandonana nahery setra iray sy ny rivo-piainana feno fanahiana. Azo arahana eto ilay sarimihetsika fanadihadiana :
Na eo aza ireo takaitran'ny fifandonana miverimberina, vitan'ny fiarahamonina ivoariàna ny nitazona habaka iray hifanakalozan-kevitra – fitaovana iray tena ilaina, raha ilay firenena mbola miatrika fanamby maro toy ny fampihavanam-pirenena, ny fifindràmonina mankany Eorôpa, ny fiovàna jeôstratejika ao amin'ny tanibe.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/11/21/172529/
|
Miady ho anisan'ny rambony i Nigeria eto Afrika atsimon'i Sahara amin'ny fisoloantenan'ny vehivavy ao amin'ny parlemanta
| 2024-11-21T06:10:42
|
Unknown
|
Pikantsarin'ireo vehivavy politisiana sasantsasany ao Nigeria avy amin'ny lahatsary YouTube, ‘ 2023 Elections: Trials, Triumphs Of Nigerian Women In Politics | Gist Nigeria ‘ avy amin'ny Channels Television . Fampiasana ara-drariny.
Mihamaro ny firenena Afrikana manao izay hampitoviana isa ny lahy sy ny vavy eo amin'ny governemanta, misy ireo firenena Afrikana misahirana mihitsy hampiaty feno ny vehivavy amin'ny sehatra politika. Namoaka tatitra vao haingana ny Policy and Legacy Advocacy Center (PLAC), fikambanana mahaleo tena, tsy miandany, tsy mitady tombony izay miasa ho fanamafisana ny fitantanana demokratika sy ny fandraisan'ny olom-pirenena anjara ao Nizeria, fa i Nizeria farany indrindra amin'ireo firenena afrikanina atsimon'i Sahara amin’ny resaka fisoloantenan’ny vehivavy ao amin’ny parlemanta.
Amin'ireo firenena 185 nolazaina tao anaty tatitra , Rwanda no ambony laharana indrindra eto Afrika, ka vehivavy no mandrafitra ny 61,3 isanjaton'ny parlemanta, raha i Nizeria kosa no laharana faha-180, izay tsy misy afa-tsy 4,4 isanjato ny vehivavy.
Mampiseho ny angon-drakitra fa amin'ireo mpikamban'ny Antenimieran-doholona miisa 360 ao Nizeria amin'izao fotoana izao dia vehivavy ny 16, ary ao amin'ny Antenimieran-doholona miisa 109 dia efatra monja ny vehivavy. Fanampin'izay, fanjakana 14 amin'ireo 36 ao Nizeria no tsy manana vehivavy mpanao lalàna. Fa na dia any amin'ireo fanjakana misy vehivavy mpanao lalàna aza, dia mbola ambany loatra ny isan'izy ireo. Maloka toy izany koa ny zavamisy amin'ny fifidianana ho amin'ireo toeran'ny mpanatanteraka: hatramin'ny niverenan'ny fitondrana demôkratika tamin'ny taona 1999, tsy mbola nisy vehivavy voafidy ho filoha, filoha lefitra, na governora tany Nizeria.
Tsy mampiseho ny isan'ny vehivavy ao Nizeria ity fahavitsiany amin'ny fisoloantena ity. Nampiseho ny antontanisan'ny Banky Iraisampirenena fa vehivavy sy ny tovovavy ny antsasaky ny mponina ao amin'ity firenena be mponina indrindra aty Afrika ity.
Mba hifanitsiana amin'ny foto-kevitra sy ny torolalan'ny Volavolandalàna Iraisampirenena momba ny zon'olombelona , ny Dinan'ny Firenena Mikambana amin'ny fanafoanana ny endrika fanavakavahana rehetra amin'ny vehivavy , ny Fihaonambe Iraisampirenena momba ny mponina sy ny fandaharanasa fampandrosoana ny katroka , ary ny tetika 2030 ho an'ny fampandrosoana lovainjafy , Nanao ezaka ny governemanta nizeriana hisian'ny miralenta amin'ny alalan'ny fandrafetana ny Politikam-pirenena momba ny miralenta tamin'ny taona 2006 , izay mampiroborobo hetsika fijoroam-behivavy 35 isanjato eo amin'ny paikam-pitantanana.
Na dia maro aza ny fanaovan-dalàna sy ireo ezaka hafa vita, dia mbola mitana ny rambony i Nizeria amin'ny fisoloantenan'ny vehivavy ao amin'ny parlemanta aty Afrika, izay vao mainka nihena hatramin'ny taona 2011. Azo lazaina ho mahatonga izany fahavitsian'ny vehivavy hisolo tena izany ny tsi-fetezan'ny rafitra ara-politika sy ara-tsosialy ary ny fomba fanao ara-kolontsaina.
Rafitra politika tsy manome vahana
Nametraka quotas (fifandanjan'isa) ara-dalampanorenana, fanaovandalàna, ary antoko ny ankamaroan'ny firenena Afrikana maro vehivavy misolotena na fifandanjana araka ny vato azo mba iantohana ny fitovian'herijikan'ny vehivavy sy ny lehilahy ho voafidy amin'ny toerana iray. Tsy mitranga anefa izany amin'ireo firenena sasany miteny anglisy eto Afrika, toa an'i Nizeria sy Ghana, izay mampiasa ny rafi-pifidianana maro antoko-maro an'isa . Tsy dia manome vahana ny vehivavy kandidà ity rafitra ity, satria araka ny isambato azo amin'ny fifidianana no izaràna toerana.
Manjakazaka amin'ny andraikitra maha-mpitarika amin'ny ankamaroan'ny antoko politika ao Nizeria ny lehilahy politisiana. Matetika ireo antoko politika ireo tsy mametraka tontolo na rafitra manohana ireo vehivavy mpikambana ao aminy. Misedra fahasahiranana noho izany ireo vehivavy ireo amin’ny fahazoana ny filatsahan-kofidiana mandritra ny fifidianana ankapobeny.
Ao Nizeria, matetika tsy mahafeno ny adidy ara-bola ateraky ny fifanandrinana amin'ny toerana politika ao Nizeria ireo vehivavy vitsivitsy izay mahahoatra ireo vesatry ny sakana amin'ny maha-vehivavy azy ireo satria miasa be ny vola amin'ny fifidianana ao amin'ny firenena. Ireo mahazo tohana matanjaka avy amin'ny mpitarika ny antoko sady be vola hanaovana “fanomezana” ho an'ny mpandray anjara amin'ny antoko ihany no voatsonga ho kandidà.
Olana lehibe iray hafa manakana ny vehivavy tsy handray anjara dia ny herisetra amin'ny vehivavy rehefa fifidianana. Matetika tratran'ny herisetra ny fifidianana Nizeriana, ary anisan'ny iharan'ny herisetra hatrany ireo vehivavy kandidà sy mpifid y.
Iray amin'ireo niangana tamin'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy nandritra ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2023 i Jennifer Bina Ifedi , izay niverina tany amin'ny biraom-pifidianana handatsa-bato taorian'ny nanafihan'andian-jiolahim-boto politika azy tao Lagos ka namparatra azy. Maro ireo vehivavy iharan'ny herisetra amin'ny fifidianana tsy misy fitoriana noho ny tsy fahampian'ny fanangonam-baovao .
Sakana ara-kolontsaina sy ara-tsosialy
Na dia manome zo hifidy sy hofidiana aza ny lalàm-panorenan'i Nizeria , dia maro ireo sakana ara-kolotsaina sy ara-piarahamonina tsy handraisan'ny vehivavy anjara feno amin'ny politika sy hihazonany ny toeran'ny mpitarika. Any amin'ireo foko samihafa manerana ny firenena, mbola miraikitra ny fandalàna ny nentin-drazana izay mametraka ny vehivavy tsy hitovy amin'ny lehilahy sady tsy sahaza ny andraikitra maha-mpitarika.
Misy koa ireo fombam-pivavahana sasantsasany ao Nizeria tsy manaiky ny fitovian'ny lahy sy ny vavy , mametra ny fahafahan'ny vehivavy mitana toerana mpitarika. Ireny fitsipika ara-tsosialy sy kolontsaina ireny no mamelona ny finoana fa na inona na inona fahaiza-manaony na fianarana vitany dia ny fikarakarana tokantrano ihany no mety indrindra amin'ny vehivavy. Ho an'ny maro, heverina ho manohitra ny andrasan'ny fiaraha-monina aminy ny fanapahan-kevitry ny vehivavy iray hirotsaka hofidian'ny daholobe, ka mahatonga azy io ho sarotra ihoarana sy ilàna fahasahiana.
Mba hiatrehana izany tsi-fifandanjàna ara-pisoloantena izany, nanentana ny Antenimierampirenena ireo manampahaizana mba hamoaka ny volavolandalàna fitovian'hararaotra eo amin'ny lahy sy ny vavy tohanan'ny Senatera Abiodun Olujimi avy ao amin'ny Antokom-Bahoaka Demôkratika mba “hampiroborobo fitovian'hararaotra sy hanoherana ireo sakana ara-piarahamonina izay mibahana ny vehivavy sy ny tovovavy tsy ho afa-mampiasa ny sainy/tanjany rehetra.” Atolotr'ity volavolan-dalàna ity ny fifandanjan'isa ( quota ) 35 isanjato ho an'ny vehivavy ao amin'ny fanaovan-dalàna amin'ny sehatra federaly sy isam-panjakana ary eo amin'ny toeran'ny fitarihan'ny antoko ihany koa. Niantso ireo Nizeriana mpandray anjara ihany koa ny Union interparlementaire [fr] mba “hampiasa ny paikam-pifidianana amin'izao fotoana izao mba hanairana ny sain'ny besinimaro momba ny maha-zava-dehibe ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny fifidianana, sy amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny parlemanta sy ny fitarihana ara-politika.”
|
https://mg.globalvoices.org/2024/11/27/172624/
|
Tao Borkina-Fasô, fetibe iray nameno ny arabe ho fanehoana ny krizy sy ny fiaretana
| 2024-11-27T13:20:37
|
Unknown
|
Fametrahana sehatra nandritra ny fetibe teo amin'ny Araben'ny “Les Recreâtrales”, toerana nanaovana ilay fetibe tao Ouagadougou ; Saripika an'i Joel Hevi
Nanomboka tamin'ny 2015, niatrika krizim-piarovana i Borkina-Fasô , indrindra fa noho ireo fanafihana djihadista ataon'ireo vondrona mitam-piadiana izay mampidi-doza ny vahoaka sivily. Ao anatin'io toedraharahan'ny tsy fandriam-pahalemana maharitra io, ny zavakanto no lasa fitaovana iray hanehoana ny hevitra sy ny fiaretana.
Ny fetibe Les Récréâtrales dia iray amin'ireo hetsika ara-javakanto lehibe ao amin'ny firenena. Tamin'ity taona ity, ny 24 Ôktôbra hatramin'ny 2 Novambra no nanaovana tamin'ny andiany faha-13-n'izy io tao Ouagadougou , renivohitra ara-pôlitika ao Borkina Fasô , mba hanomezana voninahitra ireo zavakanto velona. Asongadin'ilay hetsika ara-kolontsaina ny hetsika fanoherana ary marihany ny fanantenan'ireo Borkinabe marobe.
Manohitra ny herisetra sy ny tsy fitoniana
Lohahevitra nentina nanaovana ilay fetibe ny hoe “Atodiho hiatrika masoandro ny tavanao,” fanoharana ilazana ny hazavana sy ny fandriam-pahalemana, mifanohitra amin'ny haizin'ny herisetra sy ny tsy fitoniana. Manakoako mafy manokana io lohahevitra io ao anatina firenena iray izay fiainan'olona an-tapitrisa maro no nakorontan'ny ady sy ireo fanafihana mpampihorohoro . Aristide Tarnagda , talen'ny zavakanto ao amin'ny Les Récréâtrales no sady mpikambana ao anatin'ny vaomiera mpanomana no manazava amin'ny Global Voices ny lanjan'ilay fetibe:
Io dia fanasàna antsika hankany amin'izay tsara indrindra ao anatintsika, hivoaka ny haizina, fa indrindra mba hiray hina ny firenena manontolo, hitambatra, hamafy voan'ny hafaliana hiverenan'ny firahalahiana, ny finamànana ary ny fahitsiana. Ary mba hiarina ity firenena ity.
Làlana iray nomena anarana hoe “ Rue des Récréâtrales ” no nanatanterahana ilay fetibe, ao amin'ny kaominina mitondra anarana mitovy amin'i Ouagadougou renivohitra, ao amin'ny faritanin'i Kadiogo , faritra Afovoany . Ny làlana nizoran'ilay fetibe dia voaravaka asakanto goavana natao avy amina akora naverina nahodina indray, maneho endrik'olombelona, tsirinaina lahy ary kintana, miteraka rivo-piainana mihoatra izay takatry ny saina ary mandroboka.
Ny firafitry ny làlana mihitsy no miova ho sehatra miaina , ka eny ny zavakanto no lasa sady habaka fisaintsainana no fialofana ihany koa, ahafahan'ireo mpanatrika midoladola miala amin'ny toerana iray mankany amin'ny iray hafa no sady milona ihany ao anatin'ny tontolon'ireo Récréâtrales. Io fanehoana an-tsehatra miaina io dia ireo tranohevan-tsakafo sy asa famoronana ara-javakanto no manetsiketsika azy.
Seho tatiraly iray teo amin'ny fihodinan-dàlann'ny Les Récréâtrales, Làlana 9.32 fahiny, ao Gounghin, vohitr'i bougsemtenga ; Saripika an'i Joel Hevi
Hatramin'ny niforonany tamin'ny 2002, zavatra kendren'ny “Les Récréâtrales” ny hampivondrona ireo Afrikàna mpanakanto hanodidina ilay sehatra manaraka ny vaninandro ankehitriny. Nitàna io fanomezantoky io ny andiany 2024. Ny fandaharam-potoana , izay manafangaro ny zavakanto natao hojerena, ny dihy, ny mozika sy ny teatira, dia nanome toerana an'ireo fampisehoana voamariky ny herin'ny fitantaràn'olombelona sy ireo fijoroana vavolombelona momba ny fiainana. Ny fampisehoana tsirairay dia mamorona sehatra iray fifanakalozana momba ireo fanamby ara-tsôsialy sy pôlitika mamakivaky ny tanibe afrikàna. Araka izany, ny Les Récréâtrales dia manohy mampiako ny feon'ireo izay, amin'ny alàlan'ny zavakanto, mikatsaka ny handona, hanasitrana ary hanova ny fiarahamonina misy an-dry zareo.
Tantara an-tsehatra hizaràna traikefam-piainana
Ankoatra izany dia io lafiny lalina maha-olombelona io no tian'ilay fetibe hasongadina, miaraka amin'ireo asa famoronana toy ilay tantara Tu dis PDI izay nampivondronana ireo olona nafindra toerana tao anatiny ihany (PDI), avy ao Kaya (tanàna any amin'ny departemantan'i Kaya ao amin'ny faritra Afovoany-Avaratra) sy Tenkodogo (ao amin'ny kaominina ambonivohitr'i Tenkodogo , any amin'ny faritra Afovoany-Atsinanana ) ary koa ireo tanora avy amin'ny vohitr'i Bougsemtenga. Ao anatin'io asakanto io, ny feon'ireo niharan'ny tsy fandriam-pahalemana no miaka-tsehatra. Nanana hirika ireo mpilalao, izay samy tsy matianina daholo, mba hizaràny ny traikefam-piainany sy hitakiany ny toerany ao anaty fiarahamonina. Amin'ny alàlan'io tetikasa io, porofoin'ny Les Récréâtrales fa tsy fomba iray handosirana sorisory fotsiny ny zavakanto, fa tena fitaovana fanoherana sy fanasitranana. Vincent Kaboré, mpilalao teatira sady mpandrindra an-tsehatra, no manazava ny lanjan'ilay tetikasa:
“Izahay, mpanakanto aty Borkina, dia nilaza tamin'ny tenanay hoe, amina fotoana iray voafaritra, tsy maintsy mirotsaka an-tsehatra amin'ny ady amin'ny fanaovana hiringiriny, ny fanaovana an-tendro feno herisetra. Niteny tamin'ny tenanay izahay hoe azonay atao ny miresaka amin'ireo rahalahy sy anabavinay izay nizaka dona, amin'ny alàlan'ny zavakanto. Manao izay vitany any an-kianja ny tafika, ary izahay koa tsy maintsy mitondra ny anjara birikinay hanasitranana fanahy. Satria azo antoka fa amin'ny alàlan'ny fitaovam-piadiana, azo atao ny mambabo tany, saingy amin'ny alàlan'ny zavakanto, azo atao ny mambabo fanahy. Nampiasainay io dingana lavabe amin'ny fanohanana ara-javakanto io mba hahatongavana amin'izao fampisehoana izao, ny Tu dis PDI . Amin'ny alàlan'ireo atrikasa momba ny dihy, ny teatira, ny hosodoko ary ny mozika no nahafahanay nanangana ireo fotoana fisaintsainana sy fanasitranana faobe izao.”
Ny Tu dis PDI dia mampahatsiahy ireo mpijery fa mijanona ho tompon'ny tantarany, ny adiny sy ny nofinofiny ny olombelona. Io kazarana fampisehoana io dia mandray tamberina manokana ao anatina toejavatra iray misy ireo Borkinabe amin'izao fotoana izao, izay misy olona mihoatra ny 2 tapitrisa teren'ny ady handositra ny trano fonenany. Araka ny marihan'i Kaboré:
Ny tanjon'ilay famoronana dia ny hametraka fanontaniana momba izay fomba handraisana sy hikarakaràna ireo miaina anatin'io fangirifiriana io. Ao amin'ny fireneko, raha ny lojika, dia tranoko daholo izay alehako ka diavin'ny tongotro. Araka izany, ny hoe nafindra toerana, ao anatiny, indrindra koa fa hoe ao amin'ny fireneko ihany, dia tena mavesatra tsy zaka.
Amin'ny alàlan'io fampisehoana io, antenain'ireo mpanakanto ny hitondra setriny artistika amin'ny fanaintainan'ireo nafindra toerana ary hitondra ho hita maso ireo izay namoy ny zavatra rehetra nananany. Hamafisin'ny Les Récréâtrales ny anjara toeran'ny kolontsaina borkinabe manodidina ireo soatoavina iraisana : ny firaisankina, ny fanantenana ary ny fahamendrehan'ny olombelona.
Ny tononkalo eny an'arabe
Ny lampihazon'ireo Récréâtrales koa dia voamarik'ireo fotoanan'ny tononkalo atrehi-maso sy ny mozika, miaraka amin'ireo haingon-tsehatra ara-javakanto sy ireo fampisehoana izay manasa ho amin'ny fitalanjonana. Ahafahan'ireo mponina sy mpitsidika mandray anjara mavitrika amin'ny famoronana ny teo amin'ny làlana Bougsemtenga. Ao anatin'ny toejavatra maneran-tany voapentin'ny firongatry ny disadisa sy fifandonana, porofoin'ny Les Récréâtrales fa ny kolontsaina dia afaka ny ho mpivoy fandriam-pahalemana sy firaisankina.
Ao anatin'ity ampahana lahatsary ity, an'ny Radiodiffusion Télévision du Burkina (RTB), milaza ny heviny ireo mpandray anjara sy mpilalao an-tsehatra:
Ny andiany faha-13 tamin'ny Les Récréâtrales dia mampiseho fa ny zavakanto dia fomba iray hanandratana avo ireo ratran'ny firenena sy hanamafisana ny fifamatorana ara-tsôsialy ao anatin'ny vanim-potoanan'ny krizim-piarovana.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/11/25/172511/
|
Nahoana no tsy maintsy miezaka amin'ny fampidirana ny teny Afrikanina ireo goavamben'ny teknolojia
| 2024-11-25T03:36:28
|
Unknown
|
Ankizy teratany Tanzania mampiasa solosaina finday. Sary avy amin'i Kureng Workx , avy amin'ny Pexels ( Azo ampiasaina malalaka ).
Nanambara ilay goavan'ny teknolojia Google fa teny afrikanina 15 hafa no hampidirina ao amin'ny Voice Search , Gboard talk-to-type , sy Translate dictation tamin'ny 28 Oktobra. Anisan'izany ny fiteny Chichewa, Hausa, Igbo, Kikuyu, Oromo, Rundi, Shona, Somali, Ndebele Atsimo, Swati, Tigrinya, Twi, Tswana, Nigerian Pidgin, ary Yoruba.
Ahafahan'ny Afrikana 300 tapitrisa bebe kokoa hifanerasera amin'ny tranonkala amin'ny fampiasana ny feon'izy ireo ity dingana manan-danja ity, nefa koa mampiseho ny habetsaky ny asa ilaina hanidy ny elanelana nomerika eo amin'i Afrika sy ny tontolo hafa.
Ny kaontinanta Afrikana no kaontinanta faharoa be mponina indrindra maneran-tany, izay misy mponina maherin'ny 1,34 lavitrisa. Nasehon'ny fanadihadiana iray navoakan'ny Statista tamin'ny Jolay 2024 fa i Afrika no kaontinanta manana karazana fiteny maro be indrindra eran-tany, satria eo amin'ny 2.158 eo ny fiteny velona ao amin'io kaontinanta io. Raha ampiasaina any Nizeria ny 25 isanjato eo ho eo (520) amin’ireo fiteny ireo, dia fiteny 277 sy 214 kosa no ampiasaina any Kamerona sy ny Repoblika Demaokratikan’i Congo. I Seychelles no firenena tsy manana fiteny samihafa indrindra eto Afrika, izay fiteny efatra ihany no ampiasaina.
Taorian'ny fanambaràna, Alamazan Jak, mpisera avy any Busoga, Ogandà, nanoratra izao fanehoan-kevitra manaraka izao ho setrin'ny fanambaràna tao amin'ny vondrom-piarahamonina fandikan-teny Google:
Congratulations on the exciting announcement! Expanding dictation to 13 African languages is a significant milestone. Your dedication to inclusivity and diversity is truly commendable.
However, I couldn't help but notice that Lusoga , a vital language spoken in Eastern Uganda, is not among the listed languages. As a proud speaker of Lusoga, I eagerly await its inclusion.
Could you please share any plans or timelines for adding Lusoga to Google Translate's supported languages? Your consideration would mean a great deal to the Lusoga-speaking community.
Thank you for your tireless efforts in breaking language barriers. I look forward to your response.
Arahabaina tamin'ny fanambaràna mampientam-po! Dingana lehibe iray ny fanitarana ny sora-tononina amin'ny fiteny Afrikanina 13. Tena mendri-piderana ny fanoloran-tenanareo amin'ny fampidirana sy ny fahasamihafana.
Tsikaritro anefa fa tsy anisan’ireo fiteny voatanisa ny Lusoga , izay fiteny manadanja ampiasaina any Ogandà Atsinanana. Amin'ny maha-mpiteny Lusoga sahy miseho ahy, dia miandry fatratra ny fampidirana azy aho.
Afaka mizara drafitra na fandaharam-potoana hampidirana ny Lusoga amin'ny fiteny zakan'ny Google Translate ve ianareo? Mety hisy dikany lehibe ho an'ny vondrom-piarahamonina miteny Lusoga ny fiheveranareo izany.
Misaotra anao tamin'ny ezaka tsy nitsahatra nandrava ny sakana amin'ny fiteny. Manantena ny valin-teninareo aho.
Mampiseho ity fanehoan-kevitra ity fa mbola voahilika ny Lusoga sy ny fiteny Afrikana an'arivony hafa, ka mangetaheta fanehoana fiteny maro ny mpiserasera. Fiteny ampiasain'ny olona 3 tapitrisa mahery any Ouganda ny Lusoga (Soga).
Satria mihamivoatra sy mahazo vahana manerantany ny teknolojian'ny Ilontsaina Arafitrolombelona (IA), dia nampidirina ao anaty fitaovana maro izy ireny mba hanao ny raharaha andavanandro, manamora ny fiainan'ny olona sy ny asa amin'ny ankapobeny. Na dia mitombo isan'andro aza ny fampiasana ny fitaovana IA eto Afrika, maro ireo mpisera no mbola tsy afaka miditra amin'ny fiteniny. Raha tsy tafiditra ao anaty fandrafetan'ireo fitaovana ireo ny fiteny toy ny Soga, Afrikana an-jatony tapitrisa no mety tsy hahazo tombony amin'ny fahafahana tsy misy fetra atolotry ny IA. Vao mainka hampitombo ny hantsana ara-teknolojia eo amin'i Afrika sy izao tontolo izao izany fanilihana izany.
Mety hanakana ny fitomboana ara-toekaren'ny firenena Afrikana maro ny sakana ara-pitenenana amin'ny fanakonana ireo mpiteny vazimba teratany tsy hahita hirika arak'asa sy tsena anjotra. Mety hisy fiatraikany ratsy amin'ny rafi-panabeazana any amin'ny firenena maro ny fanilihana ny fiteny teratany Afrikana amin'ny fampivoarana ny fitaovana IA ampiasaina any an-tsekoly. Mandritra izany, mijanona ambany 12 isanjato ny fampiasana IA amin'ny fanabeazana manerana ny kaontinanta.
Hirika amin'ny fampiatìna ara-piteny eto Afrika
Andrin'ny toekaren'i Afrika ny fambolena. Mandray anjara lehibe amin’ny harin-karena faobe n’ny firenena Afrikanina maro ny seha-pambolena. Maherin'ny 43 isanjaton'ny mponina mavitrika ara-toekarena any Afrika no mivelona amin'ny fambolena any amin'ny faritra lavitra . Na izany aza, maro amin'ireo Afrikana mpamboly madinika no miatrika fanamby toy ny toetr'andro tsy ampoizina, ny tsy fandriampahalemana ara-bokatra, ny tsi-fetezan'ny fampitaovana, ny famerana fahazoana tolotra ara-bola ofisialy, ny famerana ny fidirana amin'ny tsena nomerika, ny fitotonganan'ny toekarena, ny tsy fahaizan'ny tantsaha maro mamaky teny sy manoratra, sy ny maro hafa. Voaporofo fa mahomby amin'ny fanalefahana ireo fanamby ireo ny fampiasana ny teknolojia nomerika velomin'ny IA. Tsy azo ampiasaina amin'ny fitenin'ny tantsaha anefa ny ankamaroan'ireo fitaovana ireo.
Sahy maneho vakoka ara-kolontsaina sy fomban-drazana maro i Afrika. Ny fiteny no fototra iorenan'ireo harem-bakoka sy fomban-drazana ireo. Fitehirizam-pahalalàna sy fomba amam-panao ny fiteny, ary fitaovana entina mitahiry sy mampita ny vakoka ara-kolontsain'ny vondron'olona amin'ny taranaka.
Raha jerena ny taham-pahafatesan'ny fiteny, nanambara folo taona hiarovana ireo fiteny tandindonin-doza ny Firenena Mikambana (ONU) sy hitehirizana ny vakoka iombonan'ny olombelona tamin'ny taona 2022 . Fiteny afrikana 523 eo ho eo amin'ireo fiteny 3000 andalam-pahaverezana sy atahorana ho lany tamingana manerana izao tontolo izao amin'ny faran'ny taonjato faha-21. Hanafaingana ny fandrahonana ateraky ny faharinganana ny fanilihana ireo fiteny marefo ireo amin'ny fampivoarana ny teknolojia nomerika .
Mpandraharaha Afrikana maro, mpikirakira sy mpikaroka no nitsangana, nisantatra andraikitra mampiditra ny fiteny Afrikana ho ao amin'ny teknolojia . Ohatra tsara iray ny start-up (fisantarana andraikitra) any Nizeria, Awarri , miasa amin'ny famoronana Môdelim-Piteny Midadasika marofiteny voalohany ao Nizeria. Mampiasa IA ihany koa ny start-up Kenyana, Code Vast , mba hanomezana tari-dalana ara-pahasalamana haingana amin'ireo fiteny Kenyana eo an-toerana toa ny Swahili, Meru, Kikuyu, ary Luo. Mamolavola fitaovam-pianarana izay natao manokana ho amin'ny odidina afrikanina ny Lelapa AI . Namorona teknolojia rafitra finday mandeha ho azy antsoina hoe FarmAdvice ihany koa ny fisantarana andraikitra Nizeriana iray hafa, Crop2Cash . Ahafahan'ny tantsaha madinika mahazo fahalalana ara-pambolena mivantana sy tolotra fanitarana araka izay tiana amin'ny fiteniny eo an-toerana amin'ny alàlan'ny fiantsoana ny laharana maimaim-poana amin'ny karazana fitaovana rehetra, 24/7 ny fitaovana ampiasain'ny IA.
Na dia mbola mitohy aza ireo ezaka rehetra ireo mba handravonana ity hantsana amin'ny fiteny ity, dia mbola ilaina ny mampiditra fiteny maro kokoa, indrindra fa ireo fiteny ampiasaina any amin'ny faritra izay tsy dia misy ezaka mitohy na kely hanakelezana ny hantsana nomerika. Mila mandray anjara amin'ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampidirana ireo fiteny afrikana vitsy an'isa amin'ny fampivoarana ny vokatra ihany koa ireo goavan'ny teknolojia toy ny Meta , Amazon , Uber , IBM , AWS ary ireo fikambanana hafa izay manana teknolojia ampiasaina betsaka eto Afrika. Ilaina ny fiarahamiasa eo amin'ireo fisantarana andraikitra eo an-toerana ireo sy ny andrim-panjakana mba hananganana teknolojia eo an-toerana hahatongavana any amin'ireo faritra tsy voasahan'ny orinasa.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/11/27/172629/
|
Fihenàna goavan'ny fahalalahana maneho hevitra ao Ginea Bisao
| 2024-11-27T04:56:34
|
Unknown
|
Sarintanin'i Ginea Bisao. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube African Tigress
Ao anatin'ny tatitra 2024 navoakan'ny Reporters sans frontières (RSF) momba ny fahalalahana maneho hevitra, mitàna ny laharana faha-92 i Ginea Bisao raha faha-78 izy tamin'ny 2023. Fidinana nahatalanjona tao anatin'ny herintaona, mampiseho ny fiharatsian'ny toedraharaha ao amin'ny firenen'i Umaro Sissoco Embalo , eo amin'ny fitondràna nanomboka tamin'ny 2020.
Ao amin'io firenena ao Afrika andefana io, manana mponina mihoatra ny 2,2 tapitrisa , dia mijoro ho vavolombelona amin'ny fisian'ny tsindry pôlitika sy ny resaka kolikoly ary ny toedraharaha ara-bola tsizarizary ireo matianina amin'ny media.
Tsindry pôlitika
Araka ny fandalinana iray nataon'ny RSF, matetika ny pôlitika no mifehy ny media ao Afrika . Any Ginea Bisao, tsy afa-miala amin'io zavamisy io ireo mpanao gazety. Ny tatitra isantaona fanaon'ny Freedom House, mitondra ny lohateny hoe “ Freedom in the world 2024 ” (Ny fahalalahana manerana izao tontolo izao ho an'ny taona 2024) dia manamafy io fanamarihana io:
(…)However, journalists regularly face harassment and intimidation, including pressure regarding their coverage from political figures and government officials. Journalists and media facilities have been the targets of violence.
In recent years, armed men—some dressed in military clothing—have repeatedly attacked the privately owned Radio Capital FM station, which is allied to the PAIGC, vandalizing its offices and destroying broadcasting equipment.
(…)Kanefa, tsy mitsahatra iharan'ny filàm-baniny sy ny fandemena ireo mpanao gazety, tafiditra amin'izany ny tsindry ataon'ireo mpisehatra pôlitika sy tomponandraikitra ao anatin'ny governemanta momba ny fandrakofana ataon-dry zareo. Lasibatry ny herisetra ireo mpanao gazety sy ny media. Tato anatin'ny taona vitsivitsy farany, misy olona mitam-piadiana, ny sasany misalotra fanamiana miaramila, nanafika im-betsaka ilay foiben-onjampeo tsy miankina Radio Capital FM , izay mpiara-dia amin'ny Antoko afrikàna ho an'ny fahaleovantenan'i Ginea sy Cap-Vert (PAIGC), nanimba ny biraony sy namotika ireo fitaovany fanelezana ny onjampeo.
Tsy ireo media irery ihany no lasibatra: araka ny hita tamin'ny fanafihana tao an-tokantranony tamin'ny Febroary 2022, nahazo an'i Rui Landim, mpanao famakafakàna pôlitika mpanakiana an'i Umaro Sissoco Embalo. Voatanisa tao anaty lahatsoratra iray an'ny Guinée Signal , ambaran'i Rui Landim fa:
Ato an-tokantrano miaraka indrindra amin'ireo zanako aho. Ry zareo etsy ivelany eo am-pitifirana ny varavarana. Natsipin-dry zareo tao an'efitranon'ny zafikeliko vavy ny entona mandatsa-dranomaso…Nisisika ry zareo saingy tsy nahomby noho ny firotsahana an-tsehatra avy amin'ireo mpiray vodirindrina. Saingy misy ireo tatitra milaza fa mbola eny amin'ny manodidina ry zareo miandry ny fiverenan'ny “fahanginan'ny alina”. Misavoritaka sy mitomany ny ankizy.
Tsy ela fa vao tamin'ny 20 Novambra teo, ny mpanao gazety Carabulai Cassama ao amin'ny Capital FM sy Turé da Silva no niharan'ny herisetra nataon'ny pôlisy. Vaovao nivoaka tao amin'ny X (Twitter taloha) nalefan'i Jair dos Santos , Bisaô-Gineàna mpisintona lakolosy.
Guinea-Bissau: Journalist Carabulai Cassamá of Capital FM Radio was brutally beaten today, 20 Nov, by police while covering a student vigil. Hospitalised under medical observation, his equipment, including two phones and a tripod, was confiscated. #PressFreedom #HumanRights
pic.twitter.com/q9x9DzMVUx
— 🇬🇼𝓙𝓪𝓲𝓻 𝓭𝓸𝓼 𝓢𝓪𝓷𝓽𝓸𝓼🇬🇼🇸🇳🇬🇲🇬🇳 (@Hypercutt) November 20, 2024
Ginea-Bisao : nodarohan'ny pôlisy tamin'ny fomba feno habibiana ny mpanao gazety Carabulai Cassamá avy amin'ny Capital FM Radio, androany 20 Novambra, raha teo am-pandrakofana ny fiaretantory nataon'ireo mpianatra. Naiditra hôpitaly ary eo ambany fanarahamason'ny mpitsabo, nogiazana ny fitaovany, telefaona roa sy ny trépied iray. # Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety Zon'olombelona
pic.twitter.com/q9x9DzMVUx
— 🇬🇼𝓙𝓪𝓲𝓻 𝓭𝓸𝓼 𝓢𝓪𝓷𝓽𝓸𝓼🇬🇼🇸🇳🇬🇲🇬🇳 (@Hypercutt) 20 Novambra 2024
Ny vanim-potoanan'ny fifidianana no matetika fotoana mety tsara ho an'ireo mpisehatra pôlitika mba hampiharana, mivantana na ankolaka, io karazana tsindry io amin'ireo matianin'ny asa fanaovana gazety.
Faharefoana ara-bola
Ao amin'ilay firenena, tsy manana loharanom-bola sahaza ho azy ireo haino-vaky-jery mba ho entina miasa anaty fahalalahana tanteraka. Ny salan-karama ao amin'ny firenena dia 68 dôlara amerikàna, ary ny salan'ny karama isam-bolana ho an'ireo Bisaô-Gineàna mpanao gazety dia 53 dôlara amerikàna.
Ao anaty lahatsoratra iray momba ny tontolon'ny haino-vaky-jery, ny VOA Afrique dia milaza fa matetika ireo haino-vaky-jery no mitodika any amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena mba hanentsenana ny tetibolan-dry zareo:
Media organizations are preparing coverage proposals to present to international partners, particularly the United Nations Development Program (UNDP). These proposals often include requests for per diems to pay for transportation, food, lodging and communication for journalists.
Manolotra volavolam-pandrakofam-baovao amin'ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena ireo haino-vaky-jery, indrindra fa amin'ny Programme des Nations Unies pour le développement (PNUD) – fandaharanasan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fampandrosoana. Matetika no hita any anatin'ireny sosokevitra ireny ny fangatahana tambin-karama isanandro ho an'ny resaka fitaterana, sakafo, toerana hipetrahana ary ny saram-pifandraisana ho an'ireo mpanao gazety.
Mbola ao anatin'io lahatsoratra io ihany, ny VOA Afrique dia manindry fa ao anatin'ny toejavatra tahaka izany, ho fanatanterahana ny asa dia mitodika ihany koa any amin'ireo mpisehatra pôlitika ny mpanao gazety mba hisitraka tombony sasantsasany:
As a result, many will either accept or turn to political candidates or parties for travel support, creating a relationship that compromises journalistic independence.
Vokatr'izany, marobe ireo hanaiky na hitodika any amin'ireo kandidà pôlitika na antoko mba hahazoana tohana amin'ny saran'ny dia, mamorona noho izany fifandrohizana manohintohina ny fahaleovantenan'ireo mpanao gazety.
Efa iharan'ny fahasahiranana ara-toekarena, nanomboka tamin'ny Desambra 2022 dia atrehan'ireo haino-vaky-jery koa ny lalàna iray vaovao momba ny fitrandrahana ny haino-vaky-jery, izay manasazy azy ireo amin'ny fahazoana sy ny fanavaozana isantaona ny fahazoandàlany.
Ambaran'ny governemanta fa tsy maintsy mandoa 500 tapitrisa CFA (efa ho 8 hetsy dôlara amerikàna) raha tokony ho 7 tapitrisa CFA (mihoatra ny 11 000 dôlara amerikàna) ireo fahitalavitra mba hahazoany fahazoandàlana hitrandraka. Ankoatra izay, ny fanavaozana ny fahazoandàlana dia lasa 125 tapitrisa CFA (mihoatra ny 200.000 dôlara amerikàna) raha 1 tapitrisa CFA (1 622 dôlara amerikàna). Ireo onjam-peo nasiônaly dia tsy maintsy mandoa 10 tapitrisa CFA (16 220 dôlara amerikàna) raha tokony ho 1,5 tapitrisa CFA (2 433 dôlara amerikàna) ho an'ny fahazoandàlany.
Ny tsy fahafahana mandoa ny vola tahàka izany dia mety hitondra any amin'ny fikatonan'ny onjampeo sy fahitalavitra, fa koa ny fampidirana am-ponja ireo tomponandraikitry ny haino-vaky-jery. Ao anatin'ny tatitra fanaony “ Freedom in the world 2024 ” notanisaina ery ambony, tsindrian'ilay fikambanana fa:
(…)nonpayment of fees can incur harsh criminal penalties, including up to three years’ imprisonment for the station’s owner. In April 2022, the government ordered the closure of 79 radio stations for nonpayment of broadcast licensing fees. All but two of the stations resumed broadcasting later that month after civil society organizations helped them negotiate staggered payments to the government.
(…) mety hiafara amin'ny sazy henjana momba ny heloka bevava ny tsy fandoavana ireo tataon-ketra, isan'izany ny fampidirana am-ponja mandritra ny telo taona ny tompon'ilay onjampeo. Tamin'ny Aprily 2022, didy fanakatonana onjampeo 72 no navoakan'ny governemanta noho ny tsy fandoavana ny sandan'ny fahazoandàlana. Ireo onjampeo rehetra, ankoatra ny roa, dia efa niverina nandefa ny fandaharany, volana iray taorian'ny nanampian'ny fiarahamonina sivily azy ireo tamin'ny fifampiraharahàna tamin'ny governemanta momba ny fomba fandoavam-bola tsikelikely.
Ao anatin'ny tondron'ny fahitàna ny kolikoly, navoakan'ny Transparency International tamin'ny 2023, amin'ireo firenena 180 dia eo amin'ny laharana faha-153 i Ginea Bisao. Asehon'io laharany io ny haavon'ny kolikoly ao amin'ilay firenena. Ny Freedom House, tao anatin'ny tatitra navoakany “ Freedom in the world 2024 ” manampy hoe:
Corruption is pervasive, including among senior government figures. Both military and civilian officials have been accused of involvement in the illegal drug trade.
Hita na aiza na aiza ny kolikoly, hatrany amin'ireo tomponandraikitra ambony. Maro ireo tomponandraikitra ambony ao amin'ny tafika sy ny sivily no nampangaina ho voarohirohy tamina fanondranana an-tsokosoko zava-mahadomelina.
Aretina maro no mamely an'i Ginea Bisao raha ilay firenena izay efa niomana ny hanao fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana tamin'ny 24 Novambra 2024, dia nanemotra azy ireny kosa noho ny antony ara-pôlitika sy ara-panjakàna, hoy ny lahatsoratra iray ao amin'ny Radio France Internationale (RFI).
|
https://mg.globalvoices.org/2024/11/20/172487/
|
Keniàna mpandraharaha nitety fanjakana indiàna 7 tamin'ny bisikileta mba hanoherana ny fanavakavahana
| 2024-11-20T08:22:45
|
Unknown
|
Peter Ngugi mitaingina bisikilety ao Shillong, India. Saripika natolotry ny Bird , fampiasàna nahazoana alàlana.
Ity lahatsoratra ity dia ny masoivohom-baovao Bird no namoaka azy voalohany tamin'ny 21 Ôktôbra 2024. Dika nasiam-panovàna no averina avoaka etsy ambany, ao anatin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.
[Izay rohy rehetra tsy asiana fanamarihana manokana dia mitondra mankany amina pejy miteny anglisy]
Tamin'ny 2016, nandritra ny vanim-potoanan'ny ririnina tao Delhi, India, niafara tamin'ny fahafatesan'ny Afrikàna iray ny zavatra izay nanomboka tamin'ny toy ny adiady kely natosiky ny fanavakavahana.
Karàna roa, toa maika no fahitàna azy, no nanatona posy iray tian-dry zareo hiakarana, saingy tsy ampy intsony ny toerana. Araka izany dia nangatahan-dry zareo mba hidina ny Afrikàna iray izay efa tao anatin'ilay fitaterana mba hakàn-dry zareo toerana.
Araka ny efa nampoizina, nahatsiaro tena ho voahilikilika ilay Afrikàna, noho ny lokon-kodiny. Tsy vonona ny hidina hanome ny toerany amin'izao fotsiny izy. Nisy fifandirana hanjena nanaraka izay ary vetivety foana dia nivadika ho fifampikasihan-tànana. Voabedan'ireo karàna ilay Afrikàna ary natosiny teny amin'ny tany, avy eo notontàny vatobe. Maty ity !
Kôngôley mpampianatra i Olivier Masonda, 23 taona, nandao ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô tamin'ny 2012 mba hianatra tany India. Ilay famonoana, azon'ny kamerà iray fanarahamaso, dia niteraka sahotaka nanakoako nanerana an'i India : famonoana manana endrika fanavakavahana ve izy iny ? Nosamborin'ny pôlisy ao Delhi ireo roa nahavanon-doza ary nalefa ny fihazàna olona mba hikarohana ilay fahatelo. Famonoana niteraka hirifiry iraisana iny, sy antso hitadiavana ny rariny avy amin'ireo Afrikàna monina any India.
Ho an'i Peter Ngugi, Keniàna monina ao India, dia pitik'afo nandrehitra ny vanja ihany koa io famonoana io. Noraisiny ny bisikiletiny ary mba hiadiana amin'ny fanavakavahana dia nitetezany ilay firenena, « nampirefotra araka izany ny aterineto » ary na izy koa aza dia lasa lohatenim-baovao andro vitsy taorian'ilay famonoana. Fa tsy eto no manomboka ny tantaran'i Ngugi. Tany Kenya izy io no nanomboka.
Orinasa iray no mamatsy ilay fivahinianana any India
Ndeha hiverenana ny taona 2013, tao Mikindani, Mombasa, any Kenya. Tany no nonina ny tovolahy iray feno fanetrentena, Peter Ngugi, izay avy nahavita ny fianarany ambaratonga faharoa ary tsy liana tamin'ny fandehanana hianatra eny amin'ny anjerimanontolo. Hatao inona moa, nefa ny zavatra nahaliana azy dia ny solosaina ary atidoha iray tia fandraharahàna, atidoha iray mety afaka hanomana azy ho lasa mpandraharaha? Tapakevitra ny hampitombo ny talentany i Ngugi, nanokatra magazay kely fivarotana sarimihetsika, izay sady manome tolotra fanamboarana ireny fitaovana elektrônika sy infôrmatika simba ireny ihany koa, nomeny anarana hoe Stunners Inc .
Tsikaritry ny namany iray ny fitiavany solosaina ary, na tsy dia nahaliana loatra an'i Ngugi aza ny tontolon'ny anjerimanontolo, dia nanoro hevitra azy ilay namany mba hieritreritra hàka diplaoma ao India, tamin'ny fitanisàna ireo vokatra tsara azon'ilay firenena amin'ny resaka fampianarana infôrmatika.
Tany am-piandohana dia nahakivy an'i Ngugi ilay hevitra. Navadibadiny nandritra ny fotoana ela ilay izy ka, tamin'ny 2013, nanapaka hevitra izy ny hisoratra anarana hanaraka fiofànana iray momba ny infôrmatika tao amin'ny KSR, Ivontoerana Indiàna momba ny Injenieria sy ny Teknôlôjia.
Tany am-boalohany dia tsy vitany ny namory vola hatao saran-dàlana sy saram-pisoratana, saingy niditra an-tsehatra ny tontolo, toy izay efa firaisana tsikombakomba nisy hatrizay mba hanampiana lehilahy na vehivavy iray hamita iraka. Tamin'ity indray mitoraka ity dia orinasa iray tao an-toerana no namaly ny antso. Nolazain'i Ngugi fa i Mama Mboga, ireo mpivarotra sy tompona orinasa madinika, ary ireo nàmany sy ny fianakaviany, no nivondrona mba hanangona ny vola ilaina hamatsiana ny diany sy ireo fandaniana.
Fahatongavana tao India
Taorian'ny nifindràny tany India, tapa-kevitra izy ny hanao izay tratrany sy hiverina hitondra diplaoma amin'ny infôrmatika.
Saingy mazàna no mifanipaka ny zavatra kasaintsika sy ny zavatra miseho, tahàka izay niainan'i Ngugi azy nivantana.
Zara raha nisy enimbolana taorian'ny nanombohan'ny fianarany, tsapan'i Ngugi fa aloka daholo izay rehetra nonofinofisiny. Ny zavamisy momba ny dingam-pianarana, araka ny fanazavàny, « dia tsy araky ny doka nomen-dry zareo ». Ankoatra izay, ny orinasany tany Kenya dia tsy namatsy afa-tsy ny enimbolana voalohany ihany ka tsy maintsy niasa i Ngugi mba hivelomany sy handoavany ny saram-pianarana. Rera-tsaina sy niharan-tsindry, nialàny ny fianarany.
Fa noho ireo zavatra andrandrain'ny rehetra nitambesatra teo an-tsorony, tsy vonona ny hody an-tanindrazany i Ngugi. Araka izany, nanapaka hevitra hijanona tao India izy, hilofo ary hiasa mafy.
Noho ny fisian'ireo Keniàna anaty vondrom-piarahamonina matanjaka sy miray hina ao India, nisy namany iray, Munene Robert, nampiantrano an'i Ngugi tao aminy.
Ny fifaninanana Hackathon
Niaraka tamin'ny antontam-bola voaangony nitentina 20 000 Ksh (180 USD) teo ho eo, nisoratra anarana hanaraka fiofànana programmation i Ngugi ary lasa isan'ireo mpianatra namiratra indrindra.
Teo am-pianarana ny fanoratana kaody, Ngugi dia nandray anjara tamina fifaninanana kaody nampanaovin'ny IBM tao India ary nahazo ny toerana voalohany. Nameno ny pejy voalohan'ireo gazety indiàna mihitsy aza izy noho ny talentany tamin'ny fanoratana kaody. Nahaliana ny IBM ihany koa ireo heviny momba ny raharaham-barotra. Naroson'i Ngugi ny Office Space Finder , sehatra iray hahafahan'ireo tanora mpandraharaha mifandray amin'ireo orinasa manana habaka azo hofaina. Nankafizin'ny IBM ilay hevitra. Novatsian-dry zareo vola izy, nahafahan'i Ngugi, mbola vao 21 taona tamin'izany, nandray karama mendrika sy niaina fiainana izay toa zary nofinofy fotsiny tany anatin'ny sainy lalina tany fahiny.
Tsy hoe nanana tetibola ho entina manakarama mpiasa fotsiny amina karama tsara izy, fa nanana mpamily ihany koa mitondra azy amin'ny fiaran'ny orinasa. Toy ny hoe nananan'i Ngugi ny zavatra rehetra. Saingy teo an-dalàm-piovàna anefa izany rehetra izany.
Vehivavy, Alikaola. Fiainana rendrarendra toa nanintona ho ana tanora iray 21 taona tompon'izao rehetra izao.
Hadisoana sy henatra
Tsy ela dia tsikaritr'ireo lehibeny tao amin'ny UBM ny fihetsika adalany. Ny Martsa 2015, voaroaka i Ngugi kely. Niantonta mafy izy, nivantana avy hatrany dia tany anatin'ny halalin'ny fahaketrahana.
Mahamenatra. Avy any amin'ny harena lasa anaty fahantràna. Nandoro ny fanahiny ny fahaketrahana.
Nandritra ireo fotoana fohin'ny fahalehibeazany dia nidera azy avokoa ireo Afrikàna monina ao India. Koa satria tsy vitany ny hifanatri-tava amin'izy ireny indray, tsy maintsy nandositra niala ny tanàna izy. Tamin'izay fotoana izay, mbola nanana tahiry izy. Tamin'ireo fanjakana 27 ao India, iray ihany no tsy voatsidik'i Ngugi nandritra io fe-potoana io, niezaka izy nandositra ny henatra. Farany dia tany amin'ny fanjakan'i Meghalaya izy no nipetraka, toerana nirotsahany an-tsitrapo hanao ny asa mpampianatra matematika sy anglisy, manome fampianarana mitokana ho an'ireo ankizy latsaky ny 11 taona. Nampianatra ihany koa izy tao amin'ny sekoly iray ho an'ireo sembana ao Shillong.
Avy eo nitranga ilay fifandonana tamin'ireo karana roa mpamono olona sy ny Afrikàna iray tao anaty posy, izay hanova ny fiainan'i Peter Ngugi tanteraka.
Mivoy ho an'ny fandriam-pahaemana
Rehefa nandre ny zava-nitranga i Ngugi dia tohina sy nalahelo. Tao anaty antsafa iray nifanaovany tamin'ilay Indiàna mpikaroka sady mpihanika an-tendrombohitra, Anindya Mukherjee, dia hoy izy : « Tsapako ho toy ny misy olona manohintohina ny fahamendrehan'i Afrika fa tsy hoe ny an'olona tokana monja. Rehefa misy fanafihana atao noho ny lokon-kodiny amin'ny mainty iray, dia i Afrika manontolo izay no voatafika fa tsy olona iray. »
Maty tanatina adiady kely resaka posy ilay olona, andro iray talohan'ny fitsingerenan'ny nahaterahany. Mampiseho izany fa tena mora vidy ny ain'ny Afriàna iray. Mety ho simba amin'ny fotoana rehetra.
Faniriany raha mba hiaina mirindra miaraka amin'ireo karàna ny Afrikàna. Teraka tao an-tsainy araka izany ny hevitra hanangana sehatra iray iresahana ny momba ny fanavakavahana sy ireo vahaolana mety ho hita amin'izany.
Tamin'izay fotoana izay no tonga tao an-tsainy ny hevitra hitety an'i India amin'ny bisikilety, hikarakara hetsika any an-tsekoly ary hihaona amin'ireo Indiàna mpitarika sy ny pôlisy mba hampiroboroboana ireo fifanakalozankevitra misokatra ka hahafahana manakatra tsara ny fanavakavahana sy hampitombina ireo vahaolana. Nankasitrahan'ireo Indiàna namany ilay hevitra ary novatsian-dry zareo vola.
Indray maraina, tsy nanana afa-tsy ny fahavononany sy ny aingampanahiny notsoahana avy amin'ilay Dian'ny môtôsikiletin'i Che Guevara [fr], natombok'i Ngugi ilay dia, izay hitetezany mihoatra ny 5.000 km amin'ny bisikilety mandalo an'ireo fanjakana fito ao India; io no sambany nitaingenany bisikilety tamina halavirana lavitra.
Lasa zavatra iray noraisin'ireo Indiàna ilay fihetsik'i Ngugi, sy fisokafan'ny adihevitra momba ny fanavakavahana, ny sata sy ny maripamantarana izay mety hanatsara ny fiainana ao India, ary fihetsika iray nanova ny fiainana araka ny nahafantaran'i Ngugi azy.
Peter Ngugi notsenaina tao Guhawati, India. Saripika natolotry ny Bird , fampiasàna nahazoana alàlana.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/11/19/172423/
|
Fasky, mpanakanto ao Borkina Fasô, mampiasa ny saripika ho an'ny fiaretana sy ny fanolorantena ara-tsôsialy
| 2024-11-19T06:25:29
|
Unknown
|
Fampirantian'i Fasky nandritra ny récréâtrales . Sary mampiseho tovovavy iray manenona sikina mampiavaka an'i Borkina Fasô
Ao Afrika, ireo fotoanan'ny zavakanto dia sehatra lafatra ho an'ireo mpikatroka maniry ny hisarika ny saina ho any amin'ireo olana sôsialy sy ny zon'olombelona.
Ao Borkina Fasô, i Zerbo Siaka antsoina hoe Fasky , mpanakanto mpakasary, dia miditra indrindra amin'ity fihaonan-dàlan'ny zavakanto sy ny fikatrohana ity. Ilay mpanakanto koa dia sady talen'ny fikambanana Photot'age , ka amin'ny alàlan'io izy no miditra an-tsehatra mampita ireo fahaizany maka sary ho an'ireo tanora aty aoriana . Ireo fampirantiana nataony nandritra ny andiany faha-13 tamin'ny fetibe ara-kolontsaina “ Les Récréâtrales “, habaka iray iraisan'ireo ao Afrika ho an'ny literatiora, ny famoronana, ny fikarohana ary ny fandefasana tantara an-tsehatra, dia ohatra iray manambara ny anjara toerana miabo tànan'ny zavakanto ao anatin'ny fiarahamonina.
Ilay mpanakanto, izay efa an-taona vitsivitsy no mandray anjara amin'io fotoana lehibe io, dia nisokatra tamin'ny Global Voices. Raha nitafàna nandritra ny “ Les Récréâtrales “, notantarainy ny fomba sy ny antony ametrahany ny sariny hiasa ho an'ny fiaretana sy ny fanolorantena sôsialy.
Sarin'ilay mpanakanto Fasky
Joel Hevi (JH): Tantarao anay ny nahatonga anao tamin'ny fakàna sary, sy ny anjara asanao ao anatin'ny fikambanana Photot’Age ?
Fasky (F) : Izaho no Zerbo Siaka antsoina hoe Fasky, mpakasary, avy any Bobo-Dioulasso , any Borkina Fasô . Kisendrasendra ny nanombohan'ny zotra nahatongavako ho amin'ny fakàna sary. Tany am-piandohàna, nanonofy ny ho mpiangaly Rap aho, saingy ny nahitàko ny fakàna sary dia nanaraka Frantsay mpakasary namana aho, mpikambana amina fikambanana iray ao Borkina Fasô ry zareo. Nanome fakantsary iray ho ahy ry zareo, ary nanomboka teo no lasa zavatra nahafinaritra ahy ny fakàna sary. Ankehitriny aho, ao anatin'ny fikambanana Photot'age, dia mampita io zavakanto io amin'ireo tanora, isan'izany ireo ankizy nafindra toerana ao anatiny ihany, mba hahafahan-dry zareo milaza ny heviny amin'ny alàlan'ny sary sy mampiseho ny zavamisy iainan-dry zareo.
JH: Tamin'ny Récréâtrales, nampiranty andian-tsarim-behivavy ianao. Inona no hafatra tianao hiampita amin'ny alàlan'ireo asakanto mifantoka amin'ny vehivavy ireny?
F : Efa efatra taona aho izao no mandray anjara amin'ny Récréâtrales . Rehefa nandeha ny fotoana, nanam-pahafahana aho nametraka fifamatorana mafy tamin'ireo vehivavy izay nopihako sary, izay ny ankamaroany dia nafindra toerana tao anatiny daholo [noho ireo herisetra isankarazany naterak'ireo fanafihan'ny mpampihorohoro]. Ny lohahevitry ny fampirantiako, “Handresy Isika”, dia maneho ny fiaretan-dry zareo ao anatin'ny krizy. Izy ireny dia vehivavy izay mitazona ny fanantenana, na inona midona sy mihatra, ary mitolona ho an'ny fahamendrehany. Amin'ny alàlan'ny sarin'izy ireny, manasa ireo mpitsidika aho mba hijery ny tanjany sy ny faharefoan-dry zareo. Ny faniriako dia ny hahatsapan'ny maro ny maha-olona, ankoatra ny endrik'izy ireny, izay manohina sy manainga fanahy.
Fampirantiana nataon'i Fasky nandritra ny récréâtrales
JH: Antenainao ve ny hanokatra fifanakalozan-kevitra momba ny miralenta ? Inona avy no mety ho fiantraikany ankoatry ny hatsaràna ivelan'ireo asakantonao?
F : Izany mihitsy, ho ahy ny fakàna sary dia fihetsika pôlitika sy sôsialy. Fandraisana fitenenana ho an'ny miralenta ireny saripika ireny, ho fanomezana voninahitra ireo vehivavy matanjaka sy ny adin'izy ireny. Ny fanantenàko dia ny hamorona fahatongavan-tsaina, ny hampisehoana ny tanjak'izy ireo sy hampahatsiahivana ny mahamaika ny fitoviana. Raha afaka manokatra fifanakalozan-kevitra ireo sary nopihako, sy faniriana hiaro ny zon'ireny vehivavy ireny, dia nahavita ny iraka nampanaovina azy izany ry zareo.
JH: Inona no anjara asan'ny fikambanana Photot'age eo amin'ny sehatry ny fakàna sary ao Afrika Andrefana, ary inona ireo tetikasa vao haingana tena mambabo manokana ny fonao ?
F : Ho ahy, ny Photot’Age dia habaka iray fifampizaràna sy fanehoana hevitra. Miaraka amin'ireo tanora sy ankizy nafindra toerana, indrindra fa amin'ny alàlan'ny tetikasa Terre Ceinte [tetikasa ara-kolontsaina sy ara-javakanto miady amin'ny fanaovana an-tendro feno herisetra], ampianarinay an-dry zareo ny fakàna sary ampiasaina ho fomba hitantaràna ny tantarany. Fomba iray ihany koa io hamoronan-dry zareo sary hafa momba azy manokana, hitakiany ny tena zavamisy iainany sy ny zony. Antsoinay hoe Photographivisme [Photographie + Activisme] izy io – fanolorantena iray hanao ny sary ho fanoitram-panovàna sôsialy.
JH: Handray anjara ato ho ato amin'ilay Iray Volan'ny Sary ao Grenoble ianao. Inona avy no andrandrainao amin'io hetsika io?
F : Ho ahy ny fandraisna anjara amin'ny Iray Volan'ny Sary ao Grenoble dia fotoana sarobidy iray fanararaotra hizaràna vina iray tsy manam-paharoa sy mazàna tsy fantatry ny maro momba an'i Afrika. Ilay tetikasako Reconfinement , izay maneho ny fomba tsy nisian'ny fihibohana velively tao Afrika, voatery nasiana noho ilay valanaretina, dia taratry ny fiaretana sy ny fiainana andavanandro. Zava-katsahan'io tetikasa io ny hamoronana tena fifandraisan'ny samy olombelona, amin'ny fanasàna ny olona hahatakatra fa, ho an'ny maro ao Afrika, ny fahavelomana isanandro dia mahatonga ny fihibohana ho resaka ara-batana sy ara-tsaina mila tsy ho takatry ny saina.
Izaho manantena hoe ny vahoaka frantsay, zatra mijery fampisehoana misy hevi-draikitra na tandrefana kokoa momba an'i Afrika, dia hampiseho fihetsika voahevitra manoloana io zavamisy tsy voakitika io. Eo am-panehoana ireny sarin'ny faharetana sy ny andavanandro ireny, antenaiko ny hifanatrehan'ireo mpijery amina fijery hafa momba an'i Afrika, lavitry ny fitsaratsaram-poana, fa tena mifàka lalina ao anatin'ny zavamisy maha-olombelona sy ny ara-tsôsialy.
Ho ahy, io fampirantiana iraisana ao La Rampe io, iarahana amin'ireo mpanakanto toa an'i Jean-Claude Partouche , Sophie Romettino sy maro hafa, dia toy ny rafitra iray mety tsara hanaingàna io fifanakalozankevitra io. Iray amin'ireo endrika tena mahaliana indrindra amin'io hetsika io ny fifanakalozana, fa koa ireo tantaran'ny olombelona izay miafina any ambadik'ireo saripika tsirairay avy. Inoako fa hampanan-karena io traikefa io, na ho an'ireo mpijery, na ho anay mpanakanto.
JH: Ny fomba fakànao sary dia mampita fifandraisana akaiky amin'ireo olona alainao sary. Ahoana no fomba ahavitànao mametraka io fifampitokisana io, indrindra fa anatin'ireo toejavatra izay indraindray manahirana?
F : Tena fototry ny asako ny fifampitokisana. Mahafantatra ahy ireo vehivavy izay pihako sary, rehefa nandeha dia nahapetraka fifamatorana izahay. Ny tetikasa Terre Ceinte dia nahafahako nahatakatra ny fiainan-dry zareo sy nahazo ny fitokisany. Alohan'ny hanapihana ny sariny, dia mihaino aho, manaja ny tantaran-dry zareo. Io fifandraisana io no hita taratra any anatin'ny fijerin-dry zareo eny anatin'ireo sary nopihako – fahatsorampo izay ny fihainoana sy ny faharetana irery ihany no afaka mamorona azy.
JH: Inona no hafatra tianao ho tafita amin'ny alàlan'ireo fampirantiana ataonao?
F : Natao ho an'ny rehetra ny hafatra: ny maha-olombelona antsika no mampiray antsika. Ireo fanambin'i Ouagadougou dia tsy misy hafa loatra amin'ireo an'i Grenoble. Katsahan'ireo fampirantiana ataoko ny hamorona tetezana mampifandray ny kolontsaina, ny hampahatsiahy fa, na eo aza ny fahasamihafàntsika, iraisantsika ny fanantenana sy ny tolona. Antenaiko fa rehefa mivoaka avy ao amin'ny fampirantiana ireo mpitsidika dia hanana fomba fijery vaovao sy fanajàna ireny fiainana ireny izay, na lavitra aza, dia akaiky azy ireo ihany amin'ny maha-olombelona an-dry zareo amin'ny farany.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/11/12/172424/
|
Mali: nandray lalàna iray hanoherana an-karihary ny LGBTQ+
| 2024-11-12T14:50:29
|
Unknown
|
Ampahany amin'ny tanànan'i Bamako, renivohitr'i Mali, hita avy eny ambony; pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube – Sky travel
Mirona mankany amin'ny fanamelohana ny fiarahan'ny olona mitovy taovam-pananahana ny tanibe afrikàna, araka ny hita ao anatin'ny fiovàn'ny lalàna maliàna.
Efa hatramin'ny taona maro no nihamafy ny fipetrak'ireo governemanta: ny Febroary 2024, nolanian'ny governemanta ghaneàna ny lalàna iray izay manameloka hatramin'ny telo taona an-tranomaizina ny olona milaza ny tenany ho LGBTQ+, ary hatramin'ny folo taona ho an'ireo olona manao fampielezankevitra momba ny LGBTQ+ eny amin'ny ankizy. Ny May 2023, nankatoavin'i Ogandà ny lalàna iray mitovitovy amin'izany. Ao amin'io firenena tarihan'i Yoweri Museveni io, filoha eo amin'ny toerany nanomboka tamin'ny 1986, lazaina ho heloka bevava goavana ny fiarahan'ny olona mitovy taovam-pananahana ary sazian'ny fanamelohana ho faty ho an'ireo olona voaheloka.
Ao anatin'io tontolo manara-drafitry ny fankahalàna pelaka io, tamin'ny 31 Ôktôbra 2024 ny Conseil national de transition (CNT) – Filankevitra Nasiônalin'ny Tetezamita ao Mali, izay rantsana mpanao lalàna miorina sy miasa misolo ny antenimieram-Pirenena noravàna taorian'ilay fanonganam-panjakàna tamin'ny 2020 , dia nandany tolodalàna iray manasazy ny fiarahan'ny olona mitovy taovam-pananahana . Azo lazaina ho toy ny lany tsy nisy nitsipaka ilay volavolan-dalàna: 132 nanaiky, 1 nitsipaka .
Nanomboka tamin'ny 2022, niseho ireo famantarana voalohany tamin'io lalàna vaovao io: tamin'ny Ôktôbra tamin'io taona io, nisy fanadihadiana iray nataon'ny Tv5monde nitondra lohateny hoe ” Mali : vers la pénalisation de l'homosexualité? — Mali, mankany amin'ny fanamelohana ny fiarahan'ny mitovy taovam-pananahana” — manazava hoe ao anatin'ilay lalàna vaovao iasàn'ireo parlemantera, dia lazaina fa mety hovoasazy amin'ny sazy henjana ireo fihetsika lazaina fa mifanohitra amin'ny lalànan'ny natiora.
Araka ny lazain'i Mamadou Kassogue, minisitry ny fitsaràna, ny fankatoavana io tolodalàna io manamafy ny fahavononan'ireo manampahefana ao amin'ny tafika tsy hamela hery vahiny, na avy aiza na avy aiza, hamela dindo amin'ny fombandrazan'i Mali. Firenena laika i Mali, saingy tena hanjakan'ny finoana miozolmàna: 95% amin'ny vahoakany no miozolmana.
Ho amin'izany, tao anaty lahatsoratra iray an'ny Voice of America (VOA) dia nilaza i Mamadou Kassogue fa :
Misy ao anatin'ny lalànantsika izao ny fandraràna ny fiarahan'ny mitovy taovam-pananahana eto Mali. Na iza na iza manao izany fomba izany, na manohana sy mankalaza azy, dia hohenjehina. Tsy ho ekentsika ny hoe hohitsakitsahan'ireo olona avy any ananona any ny fombandrazana sy ny soatoavintsika. Ho ampiharina io lalàna io, inch'Allah.
Efa ela talohan'ny nankatoavana io lalàna io no efa notandindonin-doza henjana ireo olona mitovy taovam-pananahana mifankatia ao Mali. Ny tantaran'ity tovolahy maliàna antsoina hoe Traoré ity , izay nandositra any Frantsa, no vavolombelon'ny fankahalàna pelaka ao anatin'ny fiarahamonina maliàna. Tamin'ny 2018, tsy maintsy nandositra an'i Mali izy mba hanavotra ny ainy, araka ny tantarainy ao anatin'ny lahatsoratra iray navoakan'ny Radio France Internationale (RFI):
Indray andro, raha tao an-tranoko izahay roa, nila ahy ny reniko ary naniraka ankizilahy kely hitady ahy. (…) Nisy olona dimy na enina tonga tao an'efitranoko, nanomboka nidaroka ahy izy ireo. Nihazakazaka aho, dia nandray taxi niala ny tanàna ary nialokaloka tany amina vohitra iray tsy lavitra teo. (…) tamin'io andro io ny reniko no nahalàla fa pelaka aho. Tezitra izy ary nilaza fa nanenenany ny niteraka ahy, ary ho azy dia tsy misy intsony aho.
Fanehoankevitra mifamahofaho
Miteraka fanehoankevitra mifamahofaho ao Mali ny fanamelohana ny fiarahan'ny olona mitovy taovam-pananahana aào amin'io firenena ao Sahel io. Ao amin'ny tambajotra X, ilay mpanao gazety Niang Abdoul dia namoaka lahatsary iray fanadihadiana manaingo tsara ny fankatoavana avy amin'ireo Maliàna sasany.
🇲🇱 L'homosexualité est officiellement pénalisée au #Mali . Le journaliste Abdoul Niang s'est enquis auprès de la population de ses sentiments sur la question.
RT en français pic.twitter.com/zTTg7A6q1Y
— Niang Abdoul (@NiangAbdoul15) November 4, 2024
🇲🇱 Amin'ny fomba ôfisialy, voasazy ny fiarahan'ireo mitovy taovam-pananahana ao #Mali . Naka ny hevitry ny vahoaka momba izay resaka izay ny mpanao gazety Abdoul Niang .
RT amin'ny fiteny frantsay pic.twitter.com/zTTg7A6q1Y
— Niang Abdoul (@NiangAbdoul15) 4 Novambra 2024
Nanoloana ny fanambaràna io lalàna io, ny tranonkalam-baovao Vudaf dia manombana fa mizarazara be ihany ny fanehoankevitra ao amin'ny firenena. Mamakafaka ny Vudaf :
Raha ny sasany mahita ao anatin'izy io fomba iray hiarovana ny maha-izy azy ny Maliàna, ny hafa indray miampanga fanohintohinana ny fahalalahan'ny isam-batan'olona sy ny zon'olombelona. Io fanamelohana io dia mety hanamafy ny hevi-draikitra sy ny fanilihana ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ao Mali, izay efa miatrika rahateo ireo fanavakavahana marobe. Mbola mafàna foana ny adihevitra, ary marobe ireo fikambanana ao an-toerana sy iraisampirenena mpiaro zon'olombelona no naneho ny ahiahiny, niantso an'i Mali hanaja ireo zo fototry ny olom-pireneny tsirairay avy.
Mahazo toerana eo amin'ny sehatra iraisampirenena ny ahiahy
Any ivelan'ny sisintany maliàna, misy ny ahiahy any amin'ny firenena sasany. Ilay fikambanana frantsay miady amin'ny fanavakavahana sy ny fankahalàna ireo LGBTQ+ dia milaza ao amin'ny tranonkalany Stop Homophobie hoe ny fankatoavana io lalàna io dia hifanohitra amin'ny sata afrikàna momba ny zon'olombelona, sy manaporofo ny fihamafisan'ny ao amin'ny faritra manoloana ireo LGBTQ+:
(…)io lalàna ao Mali io dia fitaratry ny fironana ao amin'ny faritra mankany amin'ny fanenjanana ny zon'ireo LGBTQ+. Tsy ela akory izay no nankatoavana lalàna mitovitovy amin'io tany Borkina Faso sy Ogandà. Ao Afrika, firenena 30 eo ho eo no mandrarà ny fiarahan'ny olona mitovy taovam-pananahana, ary ny sasany, toa an'i Maoritania, Sômalia ary Sodàna, dia mametraka ny fanamelohana ho faty ho an'ireny fihetsika ireny.
Ny Vudaf , voatanisa ery ambony, dia manohy ny famakafakàny tamin'ny fanondroana ireo fahasarotana mety hitranga eo amin'i Mali sy ireo mpiara-mitan-tsoroka aminy iraisampirenena.
Mety hohasarotin'io lalàna io ny fifandraisan'i Mali amin'ireo sasantsasany mpiaramiasa aminy iraisampirenena, indrindra fa ireo firenena sy ireo fikambanana manindrahindra ny zon'ireo vitsy an'isa ara-pananahana. Ireo fikambanana toy ny Fiombonambe Eorôpeàna sy ny Firenena Mikambana dia mety hampitombo ny tsindry diplaomatika ataon-dry zareo amin'i Mali mba handrisihana azy hamerina handinika ilay lalàny, toy izay nataony tamin'ireo firenena hafa nankato lalàna mitovitovy amin'izany.
Ohatra iray amin'izany ny raharahan'i Ogandà. Taorian'ny nankatoavany ilay lalàny manohitra ny LGBTQI+ dia very ampahany tamin'ireo mpiaramiasa aminy ilay firenena, isan'izany ny Banky Iraisampirenena izay nanasazy azy ary nanakana ireo famatsiambolam-panjakana rehetra tao amin'ny firenena. Nisy fanadihadiana iray vao haingana nataon'ny Open for Business (fiarahamientan'ireo vondrom-piarahamonina LGBTQ+ sy mampiaty) milaza fa noho io lalàna famoretana io, izay mamely ireo vondrom-piarahamonin'ny LGBTQ+ , isantaona i Ogandà dia mety ho very hatramin'ny 1,7 lavitrisa dôlara amerikàna .
Araka izany, ny maso rehetra dia mitodika any amin'ireo manampahefana ao amin'ny tafika daholo izay tsy maintsy manome ny fanekeny farany amin'ny famoahana na tsia io lalàna io izay hamaritra ny sata araka ny lalàna ho an'ireo vondrona LGBTQ+ ao Mali.
Na maro aza ireo firenena manaiky ny hevitra fanafoanana ny maha-heloka ny fiarahan'olona mitovy taovam-pananahana , toa tsy mbola vonona ny hankato ny zon'ny vondrom-piarahamonina LGBTQI+ ny ankamaroan'ireo firenena ao Afrika.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/11/09/172239/
|
Mpanao gazety Ogandey, Nila Yasmin: Ny vehivavy Afrikana no mitana ny fahefana hampivoatra ny varotra Afrikana anatiny
| 2024-11-09T08:20:53
|
Unknown
|
Bemiraim-pikantsary ahitana ireo vehivavy afrikana mpandraharaha tamin'ny lahatsary YouTube, ‘ Women Beyond Borders Docu-series ‘ an'i Zuba Network . Fampiasana ara-drariny.
Malaza amin'ireo vehivavy mpandraharaha ambony i Afrika, manana ny ampaham-behivavy mpandraharaha betsaka indrindra eran-tany . Araka ny filazan'ny Fikambanana Fampandrosoana sy Fiarahamiasa Ara-toekarena (Organisation for Economic Co-operation and Development) , maherin'ny ampahefatry ny orinasa rehetra ato amin'ny kaontinanta no natomboka na tantanim-behivavy.
Tao anatin'ny lahatsary fanadihadiana iray tao amin'ny YouTube mitondra ny lohateny hoe “Amboaram-panadihadiana vehivavy tsy voasakan-tsisintany,” nitafatafa tamin'ireo vehivavy Afrikana mpandraharaha maro manerana ny kaontinanta ilay mpanao gazety Ogandey Nila Yasmin Faisal (izay antsoina hoe Nila Yasmin). Ahitana mpandraharaha Ogandey dimy ary iray avy any Etiopia ny fanadihadiana.
Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices, nizara ny antony manosika azy hanadihady ireo vehivavy miavaka ireo i Yasmin ary manazava ny antony inoany fa manana fahefana hitondra ny varotra eo anivon'ny Afrikana sy hanokatra ny hirika ara-toekarena ny vehivavy Afrikanina mpandraharaha.
Nila Yasmin Faisal. Photo provided by Nila Yasmin Faisal, used with permission. Nila Yasmin Faisal. Sary nomen'i Nila Yasmin Faisal, nahazoana alalana.
Zita Zage (ZZ): Lazao anay ny momba anao sy ny ataonao.
Nila Yasmin (NY) : Ogandey mpandraharaha amin'ny fampitam-baovao aho, mpanao gazety, mpamokatra horonantsary fanadihadiana ary taloha mpikirakira vaovao tamin'ny radio. Amin'ny maha-mpamokatra ahy, niasa tamina tetikasa maromaro an'ireo marika fampitam-baovao manerantany toy ny CNN sy Euronews aho. Indrindra indrindra, voninahitra ho ahy ny namoaka tantara fanadihadiana maherin'ny 90 ho an'ny CNN tany Ouganda, Maorisy, Kenya, Rwanda, ary Tanzania, mampiseho ny zava-baovaon'ny kaontinanta, ny fandraharahana, ny kolontsaina ary ny fanatanjahantena. Tamin'ny taona 2019, nahazo ny Loka APO Group African Women in Media aho ary voatendry tamin'ny Loka 2021 Digital Equality.
ZZ: Inona no nahatonga anao hanao ity lahatsary fanadihadiana momba ny vehivavy afrikanina mpandraharaha ity?
NY : Avy amin'ny asako momba ny famokarana mifandraika amin'ny varotra afrikanina anatiny ny aingam-panahy tato amiko tamin'ny namoronana ity andian-tantara fanadihadiana ity, indrindra ny manodidina ny Faritry ny Varotra Malalaky ny Kaontinanta Afrikanina (AfCFTA). Raha namokatra ireny horonantsary fanadihadiana ireny aho, dia nahatsikaritra fa avy amin’ny orinasa lehibe ireo olona noresahinay matetika satria izy ireo no tena mandray anjara mavitrika amin’ny fanondranana entana. Nanomboka nanontany tena aho raha ny orinasa lehibe ihany no mahazo tombotsoa amin'ity hirika lehibe ity. Ary rehefa mijery ireo orinasa ireo ianao, dia lehilahy no ankabeazan'ny tompon'izy ireo.
Mifanohitra amin'izany, rehefa mijery ny antontan'isa momba ny toe-tsain'ny vehivavy Afrikana mpandraharaha ianao, dia miharihary ny elanelana. Voasokajy ho faritra manana vehivavy mpandraharaha betsaka indrindra maneran-tany i Afrika. Na izany aza, maro no tsy ampy fanohanana mba hampivoatra ny orinasany.
Tamin'ny alalan'ny fifaneraserako tamin'ireo vehivavy mpandraharaha no nananganako ny Zuba Network, izay manamafy ny feo sy ny hetsika ataon'ny vehivavy manerana an'i Afrika. Tsapako fa matetika rehefa miresaka amin'ireo vehivavy ireo izahay, dia zara raha mahafantatra ny atao hoe AfCFTA, ny mahasoa azy ireo amin'izany ary ny tokony hataon'izy ireo amin'ny varotra anatiny izy ireo.
ZZ: Inona avy ireo fanamby atrehin'ireo vehivavy mpandraharaha efa nohadihadianao?
NY: Nasongadin'ireo vehivavy ireo fanamby marobe izay manakana ny fandraisanizy ireo anjara amin'ny varotra miampita sisintany. Ny lehibe indrindra amin'ireo dia fahazoam-bola voafetra, izay manakana ny fitomboany sy ny fahatezany. Voafetra ihany koa ny fidiran'izy ireo amin'ny torohay momba ny tsena, ny tsi-fahampian'ny fahaiza-manao, ny sandan'ny aterineto sy ireo nomerika avo lenta, ary ny tsy fahampian'ny fampahafantarana momba ny fepetra takian'ny AfCFTA. Ny olana momba ny fotodrafitrasa, toy ny halafosan'ny saram-pitaterana, ny hofan'ny trano fanatobiana entana, ary koa ny fifaninanana henjana amin'ny fanafarana entana avy any ivelany, indrindra fa avy any amin'ny firenena toa an'i Shina, izay misy fiantraikany ratsy kokoa amin'ny fifaninanana. Saingy tsikaritrareo fa fanamby mahazatra isan'andro atrehin'ny vehivavy mpandraharaha ny ankamaroan'ireo fanamby ireo, ka ny fanontaniana dia hoe, ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy hanohy ny famerana ny fandraisan'ny vehivavy anjara ao amin'ny AfCFTA izy ireo?
Takatro fa maro ny paikady, ny fenitra ary ireo hetsika novolavolaina. Ohatra, ny Fenitra momba ny Vehivavy sy ny Tanora amin'ny Varotra, ny Fenitra momba ny Varotra amin'ny Entana sy ny Tolotra, ary ny Paikadin'i Afrika momba ny Entana Fototra mba hanohanana ny vehivavy amin'ny fanampian-danja sy ny famokarana – saingy tena ilaina ny fampiharana haingana ireo fepetra ireo mba ahafahan'ny vehivavy mpandraharaha mandray anjara ara-drariny sy miroborobo ao anatin'ity tsena tokana ity.
ZZ: Nahomby ve ny sehatrao, Zuba Network, tamin'ny fanampiana azy ireo hahita vahaolana amin'ireo fanamby ireo? Manana tantaram-pahombiazana hozaraina ve ianao?
Manohana ireo vehivavy mpandraharaha amin'ny alalan'ny fanomezana azy ireo sehatra hizarana ny feony sy hanehoana ny hetsika ataon'izy ireo ny Zuba Network. Amin'ny fanaovana izany, manampy azy ireo hanakaiky kokoa ny hirika hirosoana izahay, ao anatin'izany ny fanitarana ny tsena, ny fampitomboana ny fahefan'ny marika ary ny fiaraha-miasa stratejika. Nahomby tamin'ny fampiasana ity votoaty haino aman-jery ity ny vehivavy sasany tamin'ny alalan'ny fangatahana fanampiana na fampiasam-bola. Amin'ny fanamafisana ny feon'ny vehivavy mpandraharaha, manantena izahay fa hisy fiantraikany tsara amin'ny politika, manosika ny politika manome fanohanana izay manome hery ny vehivavy eo amin'ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena izany. Ho setrin'izany, dia mamela azy ireo handray anjara manan-danja amin'ny fampandrosoana midadasika an'i Afrika izany.
ZZ: Tao amin'ny lahatsary, nilaza i Shamirah Kimbugwe fa manana tanjona tsara indrindra hita amin'ny fifanarahana isam-paritra ao amin'ny kaontinanta ny AfCFTA. Mitovy hevitra amin'izany ve ianao? Inona avy ireo tanjona ireo?
NY : Ekeko tanteraka. Rehefa ampitahainao amin'ny fifanarahana isam-paritra hafa ny AfCFTA toy ny Common Market for Eastern and Southern Africa (COMESA) na ny Fifanarahana Fiarahamiasa Ara-toekarenan ‘ny SADC’, dia mazava fa mitapatapaka matetika ireo fifanarahana ireo ary voafetra amin'ny faritra manokana. Ny AfCFTA anefa dia manolotra fifanarahana iraisana, mampivondrona ny olona manerana ny kaontinanta. Miresaka momba ny mety ho tsenan'ny olona 1,4 lavitrisa mahery isika, ny fivezivezena malalaka ho an'ny entana, ny serivisy, ny fampiasam-bola, sns. Azo antoka ity Firaisankina ity fa manana fahaiza-manao hanaitra ny fitomboana ara-tsosialy sy ara-toekarena ao amin'ny kaontinanta manontolo. Ary koa, napetraka mba hanamora ny varotra tsy misy olana ny fenitra samihafa, toy ny fitsipika niaviany. Ohatra, raha mahafeno ny fitsipiky ny fiaviana any Kenya ny vokatra iray dia manankery ho azy ho an'ny firenena afrikanina rehetra izany. Ny fanamorana ireo dingana ireo no manamora ny fidirana amin'ny varotra miampita sisintany. Miombon-kevitra amin'i Shamirah aho, saingy mbola mila jerena ny fomba handikana ireo rehetra ireo ho dingana azo atao izay mitondra ho amin'ny fahombiazan'ny fifanarahana.
ZZ: Inona no tombontsoa atolotry ny AfCFTA ho an’ireo afrikanina mpandraharaha, indrindra ireo vehivavy mpandraharaha?
NY : Ny voalohany dia ny fidirana amin'ny tsena manana olona 1,4 miliara mahery. Midika izany fa ny mpandraharaha iray any Ogandà mivarotra dibera karité dia afaka mahatratra mpanjifa manerana ny firenena 54 Afrikana izay nankatoa ny fifanarahana, ary mampitombo ny fidiram-bola bebe kokoa ny fisehoana bebe kokoa amin'ny tsena. Mino aho fa handrisika ny fanavaozana ihany koa amin'ny alàlan'ny fifaninanana tsara ny fifanarahana satria tsy mifaninana amin'ny orinasa vitsivitsy ao amin'ny toeranao manokana intsony ianao; azo antoka fa hanosika ireo mpandraharaha hiala amin'ny faritra mahazatra azy ireo izany mba hamorona vokatra afaka mifaninana amin'ny tsena isankarazany.
Fanampin'izany, hamorona fifandraisana bebe kokoa ao anatin'ny rojom-pamatsiana ny AfCFTA, izay hanome ny vehivavy fahafahana miditra amin'ny zavatra toy ny akora fototra manerana ny kaontinanta. Ohatra, afaka maka dibera karité manta avy any Afrika Atsimo, manamboatra ny vokatr'izy ireo any Ouganda, ary mivarotra izany manerana an'i Afrika ny mpandraharaha iray any Ogandà.
ZZ: Nahoana ianao no mino fa manana fahefana hitondra ny varotra afrikana anatiny sy hanokatra ny hirika ara-toekarena ny vehivavy afrikanina mpandraharaha?
NY : Ny vehivavy no manjaka amin'ny varotra tsy ara-dalàna miampita sisintany, miisa 70 isanjato eo varotra tsy ara-dalàna miampita sisintany . Manana ny fanambiny manokana, toy ny fahaverezan'ny fidiram-bola, ny kolikoly ary ny fanorisorenana ara-nofo any amin'ny sisintany ity varotra tsy ara-dalàna ity. Na dia teo aza ireo olana ireo, mbola manohy ireo vehivavy ireo. Ireo vehivavy nasongadina tao amin'ny Vehivavy Ankoatran-Tsisintany dia maneho ny tanjaky ny vehivavy afrikanina mpandraharaha: matanjaka, maharitra, manavao ary be aingam-panahy izy ireo. Tsy mihemotra izy ireo manoloana ny fanamby; mandroso izy ireo. Ny ilaina ankehitriny dia ny mihaona amin'izy ireo amin'ny alàlan'ny politika tsara kokoa, indrindra ny fampiharana azy, ary amin'ny fanomezana fanohanana ara-bola azo idirana, fanohanana ara-teknolojia sy nomerika, fidirana amin'ny tsena ary fampahalalana. Manolotra vahaolana amin'ny fanamby sasany atrehin'ireo vehivavy ireo ny AfCFTA.
Nanambara ny fanadihadiana nataon'ny Banky Iraisam-pirenena tamin'ny taona 2013 fa matetika tsy afaka miditra amin'ny tambajotran'ny mpivarotra tena ilaina sy ny fampahalalana manan-danja ny vehivavy, ary miatrika fanamby lehibe amin'ny fitaterana ihany koa izy ireo. Araka ny voalazan'i Nila, raha mamaly amin'ny fomba mahomby ireo sakana ireo ny AfTCA, dia afaka mahatsapa feno ny otrikeriny ara-toekarena ny vehivavy toa an'i Juliet Susime, Immy Julie Musoke Nakyeyune, Shamirah Kimbugwe, Aluma Betti, Lydia Nakayenze-Schubert, ary Jennet Lemma.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/11/17/172311/
|
Gabôna: lalàm-panorenana vaovao hamadihana ny pejin'ny tantaran-dry Bongo
| 2024-11-17T03:26:06
|
Unknown
|
Sarin'ny sainam-pirenena gabôney
Herintaona mahery taorian'ny nandraisan'ny tafika ao amin'ny Repoblikan'i Gabôna ny fahefana tamin'ny 30 Aogositra 2024, manana fahafahana handeha handany lalàm-panorenana vaovao ireo olompirenena gabôney, mandritra ny fitsapankevi-bahoaka amin'ny 16 Novambra 2024
Miarina avy amin'ny fitondràn'ny fianakaviana Bongo nandritra ny fotoana ela be i Gabôna, fianakaviana nitàntana ny firenena hatramin'ny 1967 niaraka tamin'ny filoha Omar Bongo , ary taorian'ny nahafatesany dia notohizan'i Ali Bongo , zanany lahy rehefa lany tamin'ny fifidianana ho amin'io toerana io tamin'ny 2009. Niova ny tantana tamin'ny 2023 rehefa, taorian'ny fanonganam-panjakana iray nataon'ny tafika, i Brice Oligui Nguema no nandray ny fitondràna ny firenena amin'ny maha-filoha ny tetezamita hanatontosa iraka fametrahana taridàlana vaovao ho an'ny firenena.
Ao anatin'io toejavatra hanarenana ifotony ny firenena sy ireo andrim-panjakàny io, tamin'ny 7 Septambra 2024, natolotry ny parlem anta ny tolodalàna iray hanovàna ny lalàm-panorenana ary natolotra ny filohan'ny tetezamita. Io tolodalàna voalaza io dia ahitàna fanovàna vitsivitsy voatanisa ao anatin'ny lahatsoratra iray an'ny Radio France Internationale (RFI):
…ny fametrahana fitondràna iray tantanina filoham-pirenena; ny filoha dia fidiana hitondra mandritra ny fepotoana fito taona azo havaozina in-dray mandeha monja ; foanana ny toeran'ny praiminisitra. Azon'ny filohan'ny Repoblika ravàna ny parlemanta ary ireo solombavam-bahoaka sy loholona koa dia azon'ny filohan'ny Repoblika esorina amin'ny toerany raha misy trangam-pamadihan-tanindrazana.
Ankoatra izay, ilay lalàm-panorenanan vaovao dia manome ny sata maha-maherifo ho an'ireo miaramila mpanongam-panjakana, amin'ny alàlan'ny lalàna iray manome azy ireo famotsorankeloka, ary eny an-tsefantsefany eny dia mamaritra ny fanambadiana ho firaisan'olona roa tsy mitovy taovam-pananahana.
Fampitandremana mahakasika ny endrika sasany ao anatin'ilay fanavaozana
Eny anivon'ny fiarahamonim-pirenena, mizarazara ny hevitra momba ilay olana, ary ireo mpisehatra dia manolotra andiam-panitsiana ho an'ilay volavolan-dalàm-panorenana vaovao, indrindra amin'ny fanomezana lanja ny fepotoam-piasàna ho dimy taona fa tsy ilay fito taona voalaza.
Tao amin'ny RFI , Sentiment Ondo, mpitondratenin'ny fiarahamonina sivily gabôney no nanazava :
Mazava ho azy fa ny teboka manandanja aminay dia ireo fepetra milaza fa tsy maintsy teraka avy amina ray sy reny gabôney, izay izy ireo ihany koa dia teraka gabôney. Manambady gabôney, vavy na lahy. Ny tohankevitra avy amin'ny fiarahamonina sivily eto, dia ny hoe manitsakitsaka ny lalàna momba ny zom-pirenena efa nihatra hatramin'ny taona 1960 ilay andininy. Ankoatra izay anefa, tafahoatra sy manavakavaka io fepetra io.
Takian'ny fiarahamonina sivily ihany koa ny fanafoanana ny toeran'ny filoha lefitra ary ny hitondràna fanazavàna momba ireo fepetra mety hiteraka fanesorana amin'ny toerany ny filoha. Ao anatin’ ilay lahatsoratry ny RFI , Sentiment Ondo dia mamaritra tsara fa:
Ny sosokevitra naroso [-n'ny parlemanta] dia ny hampidirana ho isan'ireo any anatin'ny fiampangana filoham-pirenena ny heloka bevava ara-toekarena sy ara-bola, ny hampidirana ny fampielezankevitra ara-poko sy faritra, ny fandraisana tombontsoa tsy ara-dalàna ary ny famotsiambola, ny heloka bevava nandatsahan-drà sy ny famoretana hetsibahoaka.
Etsy andaniny, i Daniel Mengara , mpisehatra pôlitika ary filohan'ny hetsika politika gabôney Bongo Doit Partir (Tsy maintsy miala i Bongo, dia manandratra ny feony , hanoherana ilay volavolan-dalàm-panorenana voalaza, ary nanao tsia tamin'ny latsabatony:
Izao tetezamita izao dia natao mba hampanjakàna olona tokana (…) ny jeneraly Oligui Nguema (…). Araka izany, raha ny marina dia takianay ny tena fisarahan'ny fahefana. Tsy maintsy izorana (…) araka izany ny fandehanana mankany amin'ny rafitra parlemantera satria heverinay fa miaraka amin'ny fisiana parlemanta iray matanjaka, azo atao ny miantoka ny kely indrindra amin'ny fifandanjam-pahefana. (…) 56 taona no lanintsika teo ambany fitondran'ny “ hyperprésidence “. Tsy nety tamintsika ny rafitra fitondrana filohampirenena teo ambany fitantanan-dry Bongo. Tsy hitondra fahombiazana ho antsika koa izany eo ambany fitantanan'ny jeneraly Oligui.
Marobe, mazava ho azy, ireo izay miarahaba ny fanambaràna an'ilay lalàm-panorenana vaovao satria izy io no porofo hita vatana amin'ny fiafaràn'ny vanim-potoana Bongo. Izany no asehon'ny fanehoankevitr'i Ntsegue Laffite Joyce , lefitry ny sekretera mpanatanteraka no sady mpitondratenin'ny Rassemblement pour la Patrie et la Modernité (RPM) an'i Alexandre Barro Chambrier , praiminisitra lefitra ao Gabôna . Ao amin'ny kaontiny X (Twitter taloha), dia hoy izy:
«Parmi les points positifs, cette Constitution va tourner la page d’une époque et ouvrir une nouvelle voie à notre pays. Elle consacre la garantie de l’alternance et la fin des mandats perpétuels.» @ABarrochambrier Rentrée politique 2024 du RPM à Port-Gentil. #Gabon 🇬🇦 pic.twitter.com/Uiqv49cmId
— Ntsegue Laffite Joyce (@laffite_n) October 27, 2024
« Anisan'ny lafiny tsara, io lalàm-panorenana io no hamadika ny pejin'ny vanim-potoana iray sy hanokatra làlana vaovao iray ho an'ny firenentsika. Izay mametraka ny antoky ny fifandimbiasana sy ny fiafaràn'ireo fe-potoana fiasàna mandrakizay.» @ABarrochambrier Fidirana pôlitika 2024 an'ny RPM tao Port-Gentil. #Gabon 🇬🇦 pic.twitter.com/Uiqv49cmId
— Ntsegue Laffite Joyce (@laffite_n) 27 Ôktôbra 2024
Fa ny iray amin'ireo lohahevitra mampiasa loha indrindra an-dry zareo Gabôney dia ny fahaleovantenan'ny rafi-pitsaràna. Teo ambanin'ny fitondràna teo aloha, im-betsaka mihitsy ny fitsaràna gabôney no niharan'ny fanakiànana . Momba io lafiny io, ao anatin'ny tatitra 2024 navoakany momba ny fahalalahana manerana izao tontolo izao, lazain'ny Freedom House fa:
Fony governemanta Bongo, teo ambany fahefan'ny filoha ny fitsaràna. Tomponandraikitra eo anoloan'ny minisiteran'ny fitsaràna ny fahefan'ny fitsaràna, izay fahefana an-tànan'ny filoha ny manendry sy mandroaka ireo mpitsara. Mpikambana telo no tendren'ny filoham-pirenena tao anatin'ny Fitsaràna momba ny Lalàm-panorenana, roa avy amin'ny Antenimieram-pirenena, iray avy amin'ny Loholona ary telo avy amin'ny Filankevitra ambonin'ireo Mpitsara (CSM).
Fanombohan'ny fampielezankevitra ho amin'ny fifidianana
Ny faran'ny Septambra 2024, marobe ireo fanavaozana natsofok'ireo parlemantera tao amin'ilay tolodalàna, isan'izany ny fanovàna ny faharetan'ny fe-potoam-piasàna. Tena mankasitraka fatratra an'ilay lalàm-panorenana vaovao, Paul Biyoghe Mba , parlemantera avy amin'ny Parti Démocratique gabonais (PDG) – antokon'ilay filoha gabôney fahiny, Omar Bongo – mihevitra fa ny fanavaozana tahaka izany dia afaka misoroka fironana iray ao amin'ny faritra izay matetika ny filoham-pirenena dia mitetika fe-potoam-piasàna fanintelony na efa misy aza ireo fetra napetraky ny lalàm-panorenana. Araka izay hazavainy ao amin'ny RFI:
Ny faharetana lava indrinda napetraka dia fito taona in-droa. Koa satria tsikaritra fa amin'ireo tranga izay dimy taona in-droa ny fe-potoana iasàn'ny filoham-pirenena, mbola mikatsaka ny hahazo fanintelony ihany ireo filoha, teo dia hoy izahay hoe : “Afaka mipetraka 14 taona raha be indrindra ny Filoham-panjakàna, saingy aorian'izay, miàla izy!
Manomboka ny 6 Novambra ny fampielezankevitra ho amin'ny fifidianana , andro folo monja alohan'ny fifidianana. Faha- 94 no laharana misy an'i Gabôna ao anatin'ny fampilaharana nataon'ny Reporters Sans Frontières RSF) momba ny fahalalahana maneho hevitra ho an'ny taona 2024. Izao no asongadin'ny Freedom House , mbola ao anatin'ilay tatitra 2024 ihany momba ny fahalalahana manerana ny tany:
Gabon’s electoral laws and framework have historically not ensured credible elections. The electoral commission, the Interior Ministry, and the Constitutional Court have all played important roles in managing elections, and all were loyal to Bongo.
Tany aloha, tsy niantoka ny fisian'ny fifidianana azo antoka ireo lalàna sy rafi-pifidianana tao Gabôna. Ny vaomieram-pifidianana, ny ministeran'ny atitany ary ny Fitsaràna momba ny lalàm-panorenana dia nitàna anjara toerana lehibe tamin'ny fitantànana ny fifidianana, tamin'ny tsy fivadihana tamin'i Bongo.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/11/07/172314/
|
Manampahaizana tôgôley, Kofi Sika Latzoo, manazava ny anajara toeran'ny indostrian'ny lalao an-dahatsary ao anatin'ny toekarena Afrikàna
| 2024-11-07T02:07:56
|
Unknown
|
Senegaly mpanao gzety miatrika fiofanana momba ny atao hoe “réalité virtuelle” tao amin'ny Gamecamp Summer tamin'ny 2016 tao Dakar ; Saripika an'i Kofi Sika Latzoo, nahazoana alàlana
Sehatra iray tena mitondra famoronana sy mamorona asa vaovao, ankehitriny ny toekaren'ny famoronana dia idirana sehatra maro isankarazany, toy ny mozika, ny zavakanto, ny sarimihetsika ary ny lalao an-dahatsary ihany koa. Ity farany dia milalao dôlara amerikàna an-davitrisa eo amin'ny tsena afrikàna.
Araka ny tatitra « Africa Gaming Market Size (2024 – 2029) » (Ny haben'ny tsenan'ny lalao ao Afrika 2024-2029) avy amin'ny Mordor Intelligence , kabinetra mpanolotsaina sy mpandalina tsena, tombanana ho mihoatra ny 2,14 lavitrisa dôlara amerikàna ny haben'ny tsenan'ny lalao an-dahatsary ao Afrika ho an'ny taona 2024. Mety hahatratra 3,72 lavitrisa dôlara amerikàna io sehatra io mandra-pahatongan'ny 2029.
Tena fantatra tsara eny anivon'ireo tanora afrikàna ny lalao an-dahatsary – mihoatra ny 400 tapitrisa ireo tanora eo anelanelan'ny 15 sy 35 taona – amin'ireo vahoaka 1,6 lavitrisa miaina ao amin'ilay tanibe. Tsy endrika fialamboly fotsiny ny lalao an-dahatsary. Afaka ny ho tena asa ihany koa izy io, fantatra amin'ny anarana hoe e-sport izay manana ny fitsipika ho azy manokana, ny fifanintsanany, ny lokany ary ny fifaninanana iraisampireneny, ohatra ireo Lalao Ôlaimpika E-sports voalahatra ho amin'ny 2025 any Arabia Saodita. Mba hahatakarana ireo fanamby amin'io indostria io, nitafa tamin'ilay Tôgôley manampahaizana monina ao Senegal, Kofi Sika Latzoo , ny Globa Voices.
Kofi Sika Latzoo ; saripika nahazoana alàlana
Ananan'i Kofi ny maripahaizana avy amin'ny British Council , momba ny fandraharahana anatin'ny tontolon'ny indostrian'ny famoronana, amin'ny Gamification misy fiantraikany amin'ny sôsialy, ary efa nahazo ny maripankasitrahana iray avy amin'ny Microsoft momba ny fahaizana manokana ny fanabeazana sy ny fanavaozana izy. Izy dia iray amin'ireo mpisavalàlan'ny indostrian'ny famoronana sy ny fametrahana ho ankihy ny zavakanto ao Afrika. Tamin'ny 2012, natsangany ny Gamecampcities Agency , masoivoho iray fampiroboroboana ny lalao an-dahatsary sy ny e-sport . Efa fito taona izao izy no mampianatra ny e-sport management ao amin'ny Kedge Business School , ao amin'ny campus ao Bordeaux sy Parisy ary ao amin'ny Bem Africa ao Dakar sy Abidjan.
Jean Sovon (JS): Iza amin'ireo firenena afrikàna no efa misitraka ny tombony avy amin'ny lalao an-dahatsary?
Kofi Sika Latzoo (KSL) : Ny lohalaharana dia i Afrika Atsimo izay iray amin'ireo firenena afrikàna voalohany nanangana studio famolavolàna lalao an-dahatsary: ny Free Live , iray amin'ireo studios tranainy indrindra famolavolàna lalao an-dahatsary ao amin'ny tanibe. Iray amin'ireo firenena vitsy ihany koa nametraka federasiônan'ny e-sport ary voalohany niditra tanatin'ireo sampana lehibe manerantany mikarakara ny e-sport . Misy ihany koa ireo firenena hafa mavitrika, toa an'i Tonizia, Egipta, Maraoka, Zimbaboe, Ghana ary Senegal, izay anisan'ireo tsena vitsy ho an'ireo mpampiasa ny fiteny frantsay. Hatramin'ny 2020, Senegal koa dia iray amin'ireo firenena manana rafitra araka ny lalàna ho an'ny fampanarahan-drafitra ny e-sport : ny lalao an-dahatsary ifaninanana sy ny famolavolàna ny lalao an-dahatsary. Miaraka amina federasiôna iray vao miana-mandeha dia eo an-dàlam-pametrahana rafitra ihany koa i Tôgô . Firenena afrikàna marobe no handray anjara amin'ireo Lalao Ôlaimpika e-sport hatao any Arabia Saodita : Senegal, Maraoka, Tôgô, Egipta, Tonizia, Afrika Atsimo, Zimbaboe, Zambia, Côte d'Ivoire, Cap Vert, Nosy Maorisy, Kenya.
JS: Mba tena misitraka tokoa ny tombony ara-bola ve ireo mpilalao sa dia mpanjifa fotsiny ihany ?
KSL : Misy ambaratongany telo: vao misandratra, ny matianina amin'ny ampahany, ary ny efa matianina. Tsy maintsy efa tonga eo amin'ilay ambaratonga faharoa vao afaka hisitraka tombony ara-bola. Amin'ny alàlan'ireo fifanintsanana isankarazany any amin'ny fireneny no mampahafantatra ny tenany ireo vao misandratra. Avy eo ry zareo miakatra amin'ny ambaratonga faharoa ary lasa matianina amin'ny ampahany. Manomboka manana lalào natao ho azy ry zareo. Tsy maintsy fantarina fa misy 15 ny taranja e-sport . Manomboka amin'io fotoana io ry zareo no mitady marika hanohana azy ary hahafahany mivoatra. Manomboka eo, azon-dry zareo atao ny mivezivezy mamonjy fifanintsanana isam-paritra na iraisampirenena.
Any Afrika, mihoatra ny 90% amin'ny mpilalao no matianina amin'ny ampahany (semi-pro ). Ankavitsiana no ahitàna mpilalao tena matianina, satria izany dia midika fa tsy mpanohana iray monja no anananao, fa marobe ary voafehina fifanarahana ianao . Voaara-maso daholo ny manodidina anao ary mila manao tatitra tsy tapaka ianao ho an'ireo mpanohana anao. Ekipa latsaky ny 20 ihany no matianina manerana izao tontolo izao, ary ny 80% amin'izy ireny izay tonga hatrany amin'ny fanombanana ho 10 hatramin'ny 30 tapitrisa dôlara [amerikàna] , dia any Etazonia. Iray monja no ao Espaina, Frantsa, Angletera, ary vitsivitsy ao Brezila.
Ao amin'ny tanibe, ny ankamaroan'ireo ekipa matianina sy matianina amin'ny ampahany dia ao Afrika atsimo, toy ny Goliath Gaming . Misy ihany koa ao Maraoka, Tonizia. Efa manomboka misy ekipa any Zambia, miaraka amin'ny Team Gematrix izay mahavita manao fifanintsanana hatrany Las Vegas mihitsy. Misy ekipa iray tsara ihany koa ao Senegal, XamXamLions izay izaho ihany no nanangana azy tamin'ny 2016 izay efa in-droa nahazo tapakila hanao lalao ôlaimpika niaraka tamin'ireo mpilalao voafehina fifanarahana.
JS : Inona no fandraisana anjaran'ny toekarena ateraky ny lalao an-dahatsary amin'ny fampivoarana ny tanibe afrikàna ?
KSL : Tsena ihodinam-bola 800 lavitrisa farantsa CFA ao Afrika ny lalao an-dahatsary (mihoatra ny 1,3 lavitrisa dôlara amerikàna). Fa mba hananana vina ankapobeny amin'ny fomba firosony, ny lalao an-dahatsary, raha indostria manerantany no resahana, dia tsena ihodinana 300 lavitrisa dôlara amerikàna isantaona. Ary ny e-sport dia tsena iray ihodinana iray lavitrisa dôlara.
Efa miha-mahazo vahana miely patrana erantany ny firohotana ho amin'ilay taranja ary tsy tokony ho tara i Afrika, noho ny antony tsotra, i Afrika no manana vahoaka tanora indrindra. Io no tanibe afaka manana fahafahana hanjifa sy hamorona ny zavatra rehetra. Ireo firenena lohalaharana dia ahitàna an'i Afrika Atsimo sy Maraoka. Ao Maraoka, hatramin'ny 2012 dia ny mpandraharaha Télécom Invi no namorona hackathons hitiliana ny talentan'ireo mpamorona lalao ; mandray ireny talenta ireny hiasa hamorona lalao an-dahatsary anaty finday izay ho atomboka mandritra ny Ramadan ny fandefasana azy. Ny Invi no efa manana sahady ligy e-sport telo ao Maraoka : ligy matianina iray, ligy iray eny amin'ny oniversite ary ligy iray ho an'ny ankizy. Misy paikady voahevitra ao anatin'izany ary fampiasana vola.
JS: Inona no fifandraisana misy amin'ny hoe sport (fanatanjahantena) sy ny e-sport ? Ao anatin'io taranja io, aiza ho aiza no toerana misy an'i Tôgô firenenao?
KSL : Betsaka ireo olo-malazan'ny fanatanjahantena no liana sy mirotsaka amin'ilay taranja. Ohatra tena tsara ny an'i David Beckham , izay tompona klioba e-sport iray antsoina hoe Guild , nefa sady manana ihany koa klioba baolina kitra iray ao Miami, izay ilalaovan'i Lionel Messi .
Heveriko fa mbola misy fifamatorana mafy eo amin'ny sport sy ny e-sport . Indraindray aza dia toa ironana mihitsy ny fampitambarana azy roa ireo, toy ilay hetsika antsoina hoe Lalaon'ny Hoavy na Games of Futures , hetsika antsoina hoe phygital izay idiran'ireo taranja nomerika ho toy ny taranjam-panatanjahantena sy fitaizana ara-batana. Nandray anjara tamin'ireny lalaon'ny hoavy ireny i Benin tamin'ny alàlan'ny ekipa basket avy ao aminy, sy ny e-basketball ( ny basketball amin'ny lalao an-dahatsary).
Raha Tôgô no resahana, io dia firenena iray manana fahaizana be efa voaporofo, manana efitrano 32 filalaovana ao Lomé renivohitra, ary tamin'ny 2016 no voalohany nandray anjara tamin'ireo fiadiana ny ho tompondaka eantany nokarakarain'ny Alibaba tamin'ireo taranja Hearthstone ( lalao karatra an-tambajotra). Efa azon'io firenena io ihany koa ny medaly volamena nandritra ireo lalao afrikàna farany natao tao Ghana, izay nampidirana ny e-sport . Ankoatra izay, ny filohan'ny fikambanana e-sport ao Frantsa dia safiotra frantsay-tôgôley. Izaho ihany koa, Tôgôley monina any Senegal, mpampianatra e-sport manana fanamarinam-pahaizana ary efa nahavita nikarakara hetsika mihoatra ny 100 teo amin'ny sehatry ny lalao an-dahatsary sy ny lalao an-dahatsary ifaninanana tao Afrika. Mpianatra fahiny tao amin'ny Gamecampcities ny filohan'ny federasiona ao Tôgô. Araka izany dia anananay daholo ireo taharo rehetra azo raisina mba hananganana firenena e-sport matanjaka. Tôgô dia mpikambana ihany koa ao amin'ny kaonfederasiôna afrikànan'ny e-sport (CASE) izay ao Senegal ny foibeny. Amin'izao fotoana izao dia misy firenena 30 mpikambana ao anatin'ny CASE ary manana ny HP, ilay goavan'ny infôrmatika ho mpiaramiasa aminy izy.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/10/23/172088/
|
Tondraka ny afovoany sy andrefan'i Afrika, nefa zara raha manana andraikitra amin'ny fikorontanan'ny toetrandro ilay tanibe
| 2024-10-23T05:14:42
|
Unknown
|
Sarin'ireo trano difotry ny rano any amin'ny faritra iray farany avaratra indrindra ao Kamerona ; Pikantsarin'ny fantsona YouTube France24
Miantraika amina firenena afrikàna marobe ny fiovàn'ny toetrandro, miteraka tondradrano miverimberina isaky ny fotoanan'ny orana, tondradrano izay mandetika ny vahoaka ho anaty korontana tanteraka ary miteraka fahafatesana an-jatony ary traboina an'arivony maro .
Raha ny nahazatra, ny fotoanan'ny orana dia eo anelanelan'ny May sy Ôktôbra, ary tonga amin'ny faratampony rehefa Jolay sy Aogositra, saingy ny orana tsy manaja intsony ny tetiandro nahazatra. Ankoatra izay, lasa miha-betsaka sy mafy hatrany ny rotsakorana. Ny vokany dia niaina oram-batravatra nandravarava ny tao Afrika andrefana sy Afrika afovoany teo anelanelan'ny Jolay sy Septambra 2024.
Raha nitafàn'ny France 24 momba io toejavatra io, Aida Diongue-Niang , mpahay toetrandro ary filoha lefitry ny Vondron'ireo Manampahaizana Manokana iraisan'ny governemanta momba ny fivoaran'ny toetrandro (GIEC) no manazava ny antony. Ho an'ity Senegaly manampahaizana manokana ity, ny maha-henjana ny zava-mitranga dia vokatry ny fihamafisan'ireo fiovaovan'ny vanim-potoanan'ny orana ateraky ny fiovàn'ny toetrandro :
Toy ny fidaraboky ny daomy mitondra mankamin'ny lozabe amin'ny maha-olombelona
Araka izany dia marobe ireo tanandehibe anaty rano, izay mazàna miafara amin'ny firodanan'ny trano vokatry ny tondradrano ; ny fahavakisan'ireo fefiloha natao ho tohodrano noho ny amban'ireo oram-batravatra. Matetika no lozabe ny toedraharaha. Araka ireo tarehimarika avy amin'ny Firenena Mikambana notanisan'ny lahatsoratra iray ao amin'ny Anadolu Ajansi , mihoatra ny 700.000 ireo olona traboina noho ny tondradrano any amin'ireo faritra roa ao Afrika ireo.
Ity fanadihadian'ny France 24 ity no mamaritra ny tranga manjo an'i Tchad izay mitatitra fisiana fahafatesana 503 sy traboina mihoatra 1,7 tapitrisa .
Tamin'ny faran'ny Septambra 2024, tombana mavesatra no navoakan'ny tatitry ny Organisation internationale de la migration (OIM) tao amin'ny tranonkalany izay manondro fa :
(…) nisy safodrano nandravarava faritra manontolo niteraka famoizana aina 1.500 , traboina 4 tapitrisa ary famindràn-toerana olona niisa 1,2 tapitrsa nanerana an'i Borkina Faso, Kamerona, Tchad, Ginea, Mali, Nizerià ary Nizera.
Amin'izany, Sylvia Ekra , talem-paritry ny OIM ho an'i Afrika Andrefana sy Afovoany milaza hoe :
Tsy mbola niaina tondradrano tahaka izay nisy tamin'ity taona ity isika. Manery antsika hiatrika amin'ny fomba feno habibiana ny vokatry ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro izy ireny, izay miha-henjana hatrany hatrany aty amin'ny faritra misy antsika. Miasa tsy miato eny an-kianja ireo ekipantsika mba ho fanampiana ireo vondrom-piarahamonina sy ireo manampahefana eny an-toerana. Na dia mandritra ny taona aza no manampy araka izay tratra ny firenena izahay mba ho tsara fiomanana manoloana ny hamehana, ny halehiben'ny zavamitranga amin'izao fotoana izao dia manery sy mitaky famatsiambola fanampiny maika mba ho entina miatrika ireo filàna eo noho eo sy ny lavitr'ezaka kokoa.
Raha efa misy sahady ny fiantraikany ratsy ateraky ny fikorontanan'ny toetrandro amin'ireo fambolena ao amin'ilay tanibe, ahiana hiharatsy ny krizy noho ny maha-olombelona any amin'ireo firenena traboina vokatry ny tondradrano marobe izay nitelina ireo vokatra tany amin'ireo fiarahamonina izay mazàna dia ny mponina any ambanivohitra no manome ny 70% mahery amin'ny mponina ankapobeny. Raha handray ohatra, ao Tchad dia mihoatra ny 400 000 hektara ny tany azo volena rava. Ao anatin'izao toejavatra izao, tsy azo antoko intsony ny fanjarian-tsakafo ary tsy ananan'ireo vondrom-piarahamonina intsony ny fitaovana hahafahan-dry zareo mivelona. Allah-Maye Halina , Praiminisitra ao Tchad, voatanisa ao anaty lahatsoratra iray an'ny Tchad Info , nilaza fa :
(…) Efa nandrava sahady voly mihoatra ny 250.000 hektara ireny tondradrano ireny, ary niteraka famoizana biby fiompy niisa 60.000 sy faharavàna goavana tamin'ireo trano, sekoly, toeram-pitsaboana ary ireo fotodrafitrasa ho an'ny daholobe.
Mampanahy ny Programme alimentaire mondiale (PAM) ny amin'ny isa midangan'ireo olona mila fanampiana mety ho tratry ny kere. Araka ny lazain'io fikambanana io:
Ity fitomboana mampiahiahy ny filàna araka ny maha-olombelona ity dia mitranga ao anaty toejavatra efa isian'ny kere ao aminilany faritra, izay mahadona sahady olona 55 tapitrisa, izany hoe avo efatra heny amin'izay nisy tamin'ny dimy taona lasa.
Ao anatin'ny tombana nataony, mampitandrina ny Organisation internationale de la migration (OIM) momba ny ambana mety hisian'ny aretina aterak'izany :
Ao Afrika Andrefana sy Afovoany, vao mainka nampitombo ny olana ara-pahasalamàna ny tondradrano. Ny fiandronan'ny rano sy ny faharatsian'ny fahadiovana dia nampitombo ireo aretina mifandray amin'ny rano, toy ny kolerà, raha ireo fotodrafitrasa simba kosa, toy ny làlana, dia mampihena ny fahafahana mankany amin'ireo faritra traboina, mampananosarotra ny fahatongavan'ny fanampiana araka ny maha-olona.
Fantatra ny vahaolana saingy tsy ampiharina
Misy ny vahaolana ho an'ireo olana tsy mitsaha-mitombo, araka ny hazavain'i Moussa Malam Abdou, Nizeràna jeôgrafy sady mpampianatra ao amin'ny Oniversite André Salifou de Zinder ao Nizera, tao amin'ny BBC. Ho azy, amin'ny fifehezana ny antony ataon'olombelona dia tsy maintsy ahena ny famoahana entona miteraka fitomboana maripàna :
(…) Tsy maintsy atao ny fomba rehetra hampitomboana ny fangiazana ary fitsiahan'ny rano amin'ireo kamory/dobo sy ireo fanovàna vitsivitsy natao, indrindra fa ireo fotodrafitrasa fandalinana lavaka, toy ireo fanakanana sy fitazonana rano. Izany dia mandalo ihany koa amin'ny fanarenana ny tany.
Tsy maintsy sorohana ny fipetrahana anaty faritra mety tratry ny tondradrano ary ny fanajàna ireo fenitra fandrindràna fanorenana tanàna. Tsy maintsy havaozina ihany koa ary hajaina ireo fenitra momba ny resaka rano sy ny famolavolàna ireo fotodrafitrasa momba ny rano.
Etsy ankilany, ho an'ny Programme alimentaire mondiale (PAM), tohanany ny hoe ny hetsika tahàka ireny dia tsy maintsy ahitàna ireo fampiasambola any anatin'ireo hetsika fiomanana mialoha, toy ireo rafitra fampitandremana mialoha, famatsiambola ho an'ireo loza mety hisy sy ny rafitra fiarovana ara-tsôsialy. Ho an'izany, Margot Van der Velden, talem-paritry ny PAM ho an'i Afrika Andrefana sy Afovoany milaza hoe :
Ny hetsika fiomanana mialoha dia tena fanalahidy fototra hamoahana ireo fanampiana noho ny maha-olona mifandraika tsara, mahomby sy mitodika kokoa mankany amin'ny hoavy. Afaka ny hamonjy aina izy ireny, hitazona ny hasin'ny olona ary hanome hirika ho an'ny fampiasambola bebe kokoa.
Any amin'ny firenena sasany, mitàna anjara toerana lehibe ny tsy fisian'ireo tohodrano goavana afaka handrindràna ny fitosaky ny rano mandritra ny fotoanan'ny orana. Ny fanorenana ireny fotodrafitrasa ireny dia im-betsaka no efa nampanantenaina saingy tsy natao.
Reraky ny miandry, matetika ireo vahoaka no mampiaka-peo milaza fa leo. Araka izany, Aline Taryam, mpianatra avy ao Tchad, mipetraka ao amin'ny faritry ny Ony Chari (ony lehibe ao afrika afovoany eo anelanelan'i Tchad, Kamerona ary Centrafrique), milaza eo amin'ny fandraisampeon'ny BBC:
Herintaona mahery izao no niandrasanay ny hanamboarana io tohodrano io, fa tsy misy. Amin'ity taona ity, hiaritra fiajaliana ateraky ny ranon'orana izahay. Rehefa mijery an'io tohodrano io, tsy mahajoro akory aza ilay izy. Fandanindaniam-bola fahatany fotsiny.
Fahasorenana tahaka izany koa ny ao Nizerià, firenena ao Afrika Andrefana ihany koa tratry ny tondradrano. Mbola araka ny voalazan'ny BBC, ireo manampahefana ao anivon'ny governemanta dia nampanantena hanangana tondradrano ao anatin'ny Fanjakan'i Adamawa , any avaratra-atsinanan'ny firenena, mba hanakànana ny fihoaran'ny rano, saingy tsy misy vokatra. Mponina iray no manazava amin'ny BBC :
Nampanantena tohodrano anay ny governemanta, saingy taona roa aty aorian'ny nanombohana ilay tetikasa, tsy misy zavatra vita.
Afrika no mandoa be amin'ny sandan'ny fiovàn'ny toetrandro. Na izy aza no tanibe tsy dia mpandoto indrindra , ary zara raha 5% amin'ny famoahana entona mampitombo maripàna erantany no avy aminy, dia miha-mitobo hatrany ny fizakàny ireo vokadratsy mahatsiravin'ny fiovàn'ny toetrandro.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/10/23/171760/
|
Nanamarika ny faha-64 taonan'ny fahaleovantena tao anaty krizy ara-toekarena sy ny hetsi-panoherana ny Nizeriana
| 2024-10-23T03:02:17
|
Unknown
|
Mpanao fihetsiketsehana sasany nandritra ny fihetsiketsehana #EndSars. Sary avy amin'i Asokeretope tao amin'ny Wikimedia Commons ( CC BY 4.0 DEED
Raha nankalaza ny faha-64 taonan'ny fahaleovantenany i Nizeria tamin'ny Talata 1 Oktobra, olom-pirenena an'arivony no nanao hetsi-panoherana tao amin'ny renivohi-pirenena, Abuja, sy manerana ireo tanàna lehibe hafa, anisan'izany i Lagos sy Port Harcourt . Nokarakaraina tao amin'ny media sosialy ny hetsi-panoherana, izay nomena anarana hoe “ FearlessInOctober , ” saingy naparitak'ireo polisy nitifitra tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso ireo mpanao fihetsiketsehana.
October 1st Protest: Nigerians protest against the bad government on Independence Day at the Ikeja under bridge. #October1 #EndbadGovernment #Protest #nigeria pic.twitter.com/shU8h9oJHB
— SNOW TV® 📡🎥📺 RC 3662284 (@OfficialSnowtv) October 1, 2024
Hetsi-panoherana tamin'ny 1 Oktobra: Nanohitra ny governemanta ratsy tao amin'ny Ikeja ambany tetezana ny Nizeriana nandritra ny Andron'ny Fahaleovantena.
Toy ny mahazatra, andro tsy fiasana ny 1 Oktobra izay anisan'ny fahatsiarovana isan-taona ny fahaleovantenam-pirenena avy amin'ny fitondrana Britanika tamin'ny 1 Oktobra 1960. Nankalazaina teo aloha tao amin'ny Kianjan'ny Eagle ao Abuja renivohitra, nafindra tany amin'ny Aso Villa tamin'ny volana Oktobra 2023 ny lanonana netim-paharazana amin'ny Andron'ny Fahaleovantena. Nanambara i George Akume, sekreteran'ny governemantan'ny Federasiona, fa hankalazaina amin'ny fomba mangingina kokoa ny tsingerintaona noho ny fikorontanan'ny toe-karena.
Nizeriana maromaro no naneho ny alahelony tao amin'ny X (Twitter taloha):
Independence my foot . The colonial masters are even better than we the owners of the country. We are ruled by syndicates rather than governments. There was a country . APC has ruined the little democracy we had left . #protest #IndependenceDay pic.twitter.com/UZ1B8amuj2
— Ghost Of Trafford (@ghostoftrafford) October 1, 2024
Fahaleovantena hono. Mbola tsara lavitra noho isika tompon’ny firenena ireo tompo tamin'ny fanjanahantany. Tambajotran'olona miray tombontsoa no mitantana antsika fa tsy governemanta. Nisy ny firenena. Nanimba ny demôkrasia kely navelanay ny APC.
Nanentana ny mpitarika sy ny olom-pirenena i Peter Obi , kandidà ho filoham-pirenena ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa amin'ny fifidianana ankapobeny 2023, mba hisaintsaina lalina ny toetry ny firenena amin'izao fotoana izao .
Tamin'ny fanambaràna iray tao amin'ny kaontiny X, nilaza izy hoe : “Ho ahy, tokony ho andro isaintsainana ho an'ny Nizeriana tsirairay ity, indrindra ho antsika, mpitarika, izay nahatonga ny fihenjanana sy ny tsy fihetsehan'izy ireo sy ny tsi-fahombiazana mivandravandra amin'izao fotoana izao.” Nohamafisiny bebe kokoa fa ilaina ny “Nizeria Vaovao sy Mamokatra” izay manao ho laharam-pahamehana ny fiahiana ny olom-pireneny.
Krizy ara-toekarena sy fanamby
Miady amin'ny krizy ara-toekarena faran'izay ratsy indrindra tao anatin'ny am-polony taona maro i Nizeria, firenena be mponina indrindra eto Afrika, izay nitarika fiakarana be ny vidin'ny sakafo fototra manerana ny firenena.
Niatrika fanakianana ny filoha Bola Ahmed Tinubu noho ny politikany kambana amin'ny fanesorana ny fanampiana amin'ny (visin-t)solika sy ny fampiraisana ny tahan'ny fifanakalozam-bola vahiny , izay heverin'ny Nizeriana maro fa nahatonga ny fisondrotry ny vidim-piainana tsy nisy toa azy sy ny fiharatsiam-piainana sy ny saran'ny angovo [mg]. Nitombo avo telo heny ny vidin'ny angovo hatramin'ny nitantanan'ny filoha Tinubu tamin'ny 29 May 2023. Niakatra 200 NGN (0,12 dolara) hahatratra 1.000 dolara mahery (USD 0,60) isaky ny litatra ny vidin'ny lasantsy ary nitombo avo efatra heny ny vidin-jiro, izay niantraika mafy tamin'ny sehatry ny famokarana sy ny fitantanam-bolan'ny tokantrano Nizeriana.
Tamin'ny fanadihadiana nataon'ny Banky Foiben'i Nizeria (CBN) nanomboka tamin'ny 22 ka hatramin'ny 26 Jolay 2024, heverina fa hanery ny tokantrano Nizeriana handany ny ampahany betsaka amin'ny fidiram-bolany amin'ny sakafo ny fisondrotry ny vidim-piainana. Nahatratra 99,7 isanjato ny valin-teny azo tamin'ny Fitsapan-kevitra fanadihadiana nataon'ny Household Expectation Survey , natao tamin'ny santionan-tokantrano miisa 1.665 manerana ny fanjakana 36 sy ny zaratanin'ny Renivohitra Federaly. Araka ny tatitry ny Biraom-Pirenena misahana ny Antontanisa (NBS), mahatratra 32,15 isanjato ankehitriny ny tahan-tsondro-bidim-piainana amin’izao fotoana izao, ary tafakatra 39,5 isanjato ny fisondrotry ny vidin-tsakafo.
Nandritra ny fandaharana fahitalavitra tamin'ny Andron'ny Fahaleovantena, nanambara ny Filoha Tinubu fa tsy maintsy misafidy i Nizeria na hanavao handroso sy hiroborobo na hanohy ny fomba fandraharahana mahazatra ka mety hiatrika firodanana. Nohamafisiny fa manolo-tena amin’ny fanavaozana ny politika ara-toekarena sy ny rafi-piarovana ny firenena ny fitantanan-draharahany, izay nandray ny fitantanana 16 volana lasa izay.
“Raha mankalaza ny fandrosoana vitantsika amin'ny maha-vahoaka isika tao anatin'ny efatra amby enimpolo taona, dia tsy maintsy miaiky ihany koa fa misy ny hirika tsy vitantsika sy ireo lesoky ny lasa. Raha te ho lasa iray amin’ireo firenena lehibe indrindra eto an-tany isika, araka ny nanendren’Andriamanitra antsika, dia tsy tokony havelantsika hanaraka antsika amin’ny hoavy ny fahadisoantsika”, hoy izy.
Naneho ny alahelony izy fa tojo sarotra i Nizeria noho ny fahadisoana teo aloha, ka mandrisika ny olom-pirenena (izy) tsy hamela ireo fahadisoana ireo hamolavola ny hoavy. Nampian'ny filoha fa nandripaka Boko Haram sy “ lehiben-jiolahy ” 300 isa mahery any avaratra atsinanana sy avaratra andrefana ny governemantany, ankoatra ny any amin'ny faritra hafa.
Nanamarika ihany koa izy fa nahasarika fampiasam-bola mivantana avy any ivelany mihoatra ny 30 lavitrisa dolara US ny fanavaozana ara-toekarena tohizany hatramin'ny herintaona.
Fanantenana ho amin'ny ampitso
Nandritra ny fandaharana fahitalavitra tamin'ny Andron'ny Fahaleovantena no nanambaràn ‘ny Filoha Tinubu ny fiantsoana ny “Fihaonambem-Pirenen'ny Tanora”. Nolazainy fa hivory mandritra ny 30 andro ny fihaonambe ho sehatra iray hiatrehana ireo fanamby samihafa atrehin'ny tanora Nizeriana ao amin'ny firenena, izay mihoatra ny 60 isanjato n'ny mponina ao Nizeria.
Heverina ho dindon'ny fitombon'ny rotaka teo amin'ny tanora manerana ny firenena ity fanapahan-kevitra ity, izay nitarika ny fitohizan'ny hetsi-panoheram-bahoaka nanomboka tamin'ny hetsika #EndSARS tamin'ny taona 2020 sy ny hetsika #EndBadGovernance tamin'ny volana Aogositra 2024.
Tamin'ny fankalazana ny faha-64 taonan'ny fahaleovantenan'i Nizeria tamin'ny 1 Oktobra, namoaka ireo hira sy rakikiran'ireo Nizeriana artista folo malaza indrindra hatramin'izay ny Apple Music. Ahasikasin'ity fisantaran'andraikitra ity ireo Nizeriana artista nahomby teo amin'ny sehatra fandefasana mivantana ankihy, mampiseho ireo artista nizeriana sy rakikira nandeha mivantana ankihy imbetsaka indrindra. Ny “Made in Lagos” an'i Wizkid no nandray ny toerana tampony, narahin'i Burna Boy akaiky manana rakikira efatra ao anaty lisitra.
Nihalehibe ny sehatrasan'ny mozika ao Nizeria tao anatin'ny folo taona ary lasa iray amin'ireo sehatra mavitrika indrindra ao amin'ny firenena, mitondra vola mihoatra ny 2 miliara dolara isan-taona ho an'ny toekarem-pirenena. Amin'ny vinavina, antenaina hahatratra 12,9 miliara dolara be izao izany amin'ny taona 2027, araka ny tatitry ny PriceWaterhouseCoopers .
Toy izany koa, mamorona asa an-tapitrisany, indrindra ho an'ny tanora Nizeriana i Nollywood , indostrian'ny sarimihetsika faharoa lehibe indrindra eran-tany, izay mamokatra mihoatra ny 660 tapitrisa dolara US isan-taona.
Na dia eo aza ny fahasarotana ara-toekarena ao amin'ny firenena, mijanona ho fanilon'ny fanantenana ho an'ny firenena be mponina indrindra ao Afrika ny sehatrasa famoronana ao Nizeria.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/10/28/171951/
|
Ankoatra ny fitantarana ireo krizy, be kokoa ny hatsaran-tarehy, ny tanjaka ary ny fiaretana amin'ny tantara Saheliana
| 2024-10-28T03:23:08
|
Unknown
|
Tanoralahy Dogon mitondra mololo, izay hamahanam-biby ao Mali, Afrika Andrefana. Image n'i Ferdinand Reus ao amin'ny Wikimedia Commons ( CC BY-SA 2.0 Deed ).
Am-polony taona maro i Sahel — faritra iray mandrakotra ny firenena maro Burkina Faso, Kamerona, Tchad, Guinée, Mali, Maoritania, Niger, Nizeria, Sénégal ary Gambia — no nolokoina ho toeran'ny fahoriana. Matetika ampifandraisina amin'ny tsy filaminana ara-politika, ny fahantrana ary ny fanamby ara-toetr'andro, i Sahel ary aseho amin'ny solomason'ny krizy . Na izany aza, sarotra sy natao matsatso kokoa noho ny anoritsoritana azy amin'ny lohatenin-gazety manerana izao tontolo izao ny tantara Saheliana, tahaka ny maro hafa eto Afrika.
Raha mampiseho sarin'ny faritra karakaina sy mahantra, amin'ny lafiny ara-tontolo iainana no anondroana an'i Sahel, dia faritra manankarena tontolovoary an-tany foana sy hivoka izy io. Efa tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany sy ny fivoarana ara-jeopolitika vao haingana no nitantarana an'i Sahel .
Mandritra izany fotoana izany nalaza noho ny fifanakalozana miampita faritra sy ny fisian'ny fanjakana sy ampira toa anganongano, ara-tantara, ny faritra . Talohan'ny nampalaza ny varotra andevo niampita-Atlantika , namidy nankany Sahel ny vokatra sarobidy avy amin'ny hivoka mando kokoa, sy avy amin'ny faritra be ala eto Afrika.
Ankehitriny, ilay faritra miampitampita firenena mihotakotaka ara-politika, izay ahitana an'i Burkina Faso, Mali, Niger, Sénégal, Sodana, Maoritania, Tchad, ary ny faritra sasany ao Nizeria, dia niatrika fanamby maro manomboka amin'ny ady mitam-piadiana , fanonganam-panjakan'ny miaramila ka hatramin'ny fanafihan'ny mpampihorohoro [mg]. Hatramin'ny taona 2020, fanonganam-panjakana enina no nitranga tany Niger, Burkina Faso, ary Mali, mahatonga ny governemanta sivily tsy hahahetsika, nitakian'i Burkina Faso ny fanalana ireo vondro-tafika frantsay nijoro tao hatrany hatramin'ny fitondram-panjanatany.
Tamin'ny Janoary 2024, niala tao amin'ny vondrom-piarahamonina ara-toekarena Afrika Andrefana CEDEAO ( ECOWAS ) i Burkina Faso, Mali ary Niger, izay mbola manampy trotraka amin'ny fahamainan'ny fifandraisana ara-diplaomatika manerana ny faritra. Niharatsy ihany koa ny fifandraisana misy eo amin'i Etazonia (Etazonia) sy ireo firenena ireo, nampiato n'ny filoha Joe Biden ny fahazoan'ireo firenena ireo miditra malalaka ara-barotra amin'ny tsenan'i Etazonia. Nanomboka teo dia nihamafy tao amin'ny media isankarazany ny adihevitra maro momba ny fahavakisan'ny filaminam-paritra sy ny tsy fahafahan'ny faritra mizaka ny olany ara-piarovana.
Ny fanantenan'ny tanora Sahelianina
Sahel no faritra tanora indrindra eran-tany, latsaky ny 25 taona ny 65 isanjato n'ny mponina ao aminy. Otrikarena goavana ho an'ny fampandrosoana izany tanora marobe izany, na ao anatin'ny faritra na amin'ny tsena manerantany.
Na izany aza, hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena tamin'andian-taona 1960, nandova andrim-panjakana sy faritany efa vita faritra izay hita fa sarotra tantanina ireo firenena ao amin'ny faritra. Mifehy ampahany betsaka ao amin'ny faritra ny karazam-bondrona Islamista mpikomy , ka mahatonga ny sivily ho tery afovoany sy ny tanora ho mora iharan'ny fotokevitra tia herisetra na firotsahana an-tsitrapo ho ao amin'ny vondrona mitam-piadiana. Hatreto dia olona 4,2 tapitrisa eo ho eo no nafindra toerana, araka ny tomban'ny Kaomisera Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR). Sekoly maherin'ny 4.000 sy tobim-pahasalamana 150 no nakatona manerana ny faritra.
Sarintanin'i Afrika, manasongadina an'i Sahel amin'ny loko laoranjy. Sary avy amin'i Sadalmelik ao amin'ny Wikimedia Commons ( CC BY-SA 4.0 Deed ).
Mamolavola indray ny endrik'i Sahel
Ho setrin'ireo fanamby mbola hita ireo, mpiantsehatra nasionaly , isam-paritra ary iraisampirenena maro no miezaka mamolavola indray ny endrika ijerena azy. Iray amin'izany ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD), izay nanangana ny fanentanana #IAMSahel amin'ny ezaka hanovana ny fitantarana sy ny tontolom-peon'i Saheliana.
Tamin'ny fanokafana ny fanentanana, nandresy lahatra ny mpanolo-tanana ny Sekretera jeneralin'ny Pnud Ahunna Eziakonwa fa mila manova ny fifantohana amin'ny fahalemen'ny Sahel ho any amin'ny tanjany izao tontolo izao. Ifantohan'ny fanentanana ny fitadiavana fitantarana vaovao momba an'i Sahel amin'ny alàlan'ny fitantarana stratejika amin'ny media, fitantarana ifotony, ary fiaraha-miasa amin'ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana mba hanasongadinana tsara kokoa ireo otrikarenan'ny faritra, izay afaka “manampy amin'ny fanovam-pifantohana sy mampiseho ny hatsaran'i Sahel, ny tanjany ary ny talentany, ” hoy i Eziakonwa nanampy.
Niteny nandritra ny fanokafana ihany koa, ny mpihira sady masoivoho an-tsitrapon'ny PNUD Alif Naaba ary nanoritsoritra fa manana anjara toerana lehibe amin'ny fiaretana sy ny tokony hamolavolàna indray ny fomba fijery an'ny Sahel ny mozika, izay efa latsa-paka lalina amin'ny kolontsain'ny faritra.
Nasongadin'ny masoivoho an-tsitrapon'ny UNDP ihany koa sady fanorolahin'ny mozika Patoranking fa ny zavakanto sy ny kolontsaina Saheliana no vato iorenan'ny sehatry ny fialamboly eto Afrika. Nambàrany fa amin’ny alalan’ny fanasongadinana ny zava-bitan’ireo maherifo ao an-toerana no ahafahan'ny faritra mamolavola ny tantarany manokana sy mitrandraka ny fahaiza-manaon’ny mponiny.
Raha miresaka momba ny fisantaran'andraikitra Great Green Wall ho iray amin'ireo tetikasa manan-kambo indrindra ao amin'ny kaontinanta, dia nanampy i Patoranking fa tsy manam-petra hirik'i Sahel.
Tanora maro no nandray anjara tamin'ny fanentanana tamin'ny alalan'ny X (Twitter taloha).
Mpisera iray, @EmilyJoof , nizara ny fomba ampiroborobon'ny bokiny (“Halima, Princess Superhero”) ny fahaiza-mamaky teny sy ankalazàny ny fanehoana marokolontsaina:
So proud to share my story and represent our beautiful, diverse, complex and rich West African diaspora in the #IAMSAHEL Campaign #mbifebooks #mbife #Gambia #blackbooks #childrensbooks #libraries #africanlibraries #blackculture #africanculture #westafricandiaspora #westafrica https://t.co/sxIssa1EuY
— Emily Joof – Mbife Books (@EmilyJoof) September 27, 2024
Tena mirehareha mizara ny tantarako ary maneho ny hatsaràna, ny hamaroan-karazana, ny fifaningotsingorana sy ny harenan'ny diaspora Afrikana Tandrefana ao amin'ny Fanentanana #IAMSAHEL
Nanamarika ny mpisera iray hafa:
The beauty of Sahel from above is beyond wanders; the greenery speaks for itself.
The Sahel is home to some of the world’s most ambitious environmental projects, including the Great Green Wall Initiative. #IAMSahel
Learn more: @UNDPWACA / @unis_sahel / https://t.co/VFMjA4bBBC pic.twitter.com/QEgR0lv8lE
— Alpha Says (@AlphaSays_) September 19, 2024
Mihoatra noho izay mahavalalanina ny hatsaran-tarehin'i Sahel avy any ambony; miteny ho azy ny zava-maitso.
Iorenan'ireo tetikasa ara-tontolo iainana manana hambo indrindra eto ambonin'ny tany i Sahel, anisan'izany ny fisantaran'andraikitra Great Green Wall .#IAMSahel
Mianatra bebe kokoa: @UNDPWACA / @unis_sahel /
Ankoatra ny fiezahana hanova fomba fijery, mety hisy fiantraikany amin'ny fiainan'ny tanora hatramin'ny 300 tapitrisa (koa) ny fanentanana #IAmSahel amin'ny alalan'ny famoronana asa manan-danja, fandrisihana ny fandraharahana, ary ny mampiditra ny tanora amin'ny fitantanana sy ny ezaka fananganana fandriampahalemana. Ho hita ity hetsika ity raha hanome hirika ho an'izao tontolo izao hahita indray ny hakanton'ny faritra, ny tanjany ary ny hakingan-tsainy — toetra efa nalevina hatry ny ela teo amin'ny tantara.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/11/01/172214/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #18
| 2024-11-01T02:58:19
|
Unknown
|
Pikantsarin'ny fantsona YouTube – Imagiers français
Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna sy matetika maka dika vaovao mihitsy. Hita eto avokoa ireo fizarana rehetra nataonay teo aloha
Hita eto avokoa ireo fizarana rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole .
Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay:
Cadeauter : Fiteny frantsay avy ao Afrika no niavian'izy io ary midika hoe “Manolotra fanomezana”. R aha ao anatin'ny tontolo Françafrique, s omary miloko pôlitika ihany io rafitra misy fitaomana ara-pôlitika taorian'ny fanjanahantany io sy ny fampivezivezena manjavozavo ny vola eo amin'i Parisy sy Afrika, mandeha amin'ny zotra roa mifamaly, araka izay lazain’ ity lahatsoratry ny BBC ity:
The system was so widespread that it gave rise to a verb cadeauter – from the French cadeau, meaning a present.
Niparitaka be ilay rafitra ka nahatonga ny fahaterahan'ny matoanteny hoe « cadeauter » – avy amin'ny voambolana frantsay hoe « cadeau ».
Spoiler : Ity fomba fiteny ity, nalaina avy amin'ny fiteny anglisy ‘spoil’ dia midika hoe “manimba ny fitaintainana” noho ny fitantaràna mialoha an'ireo ampahany tena manandanja anatina sarimihetsika na tantara iray. Matetika io voambolana io no adika amin'ny fiteny frantsay hoe “divulgâcher”. Ilay voambolana , raha anarana, dia tononina amin'ny fomba fanonona azy amin'ny anglisy (“spoiluh”). Fa raha ampiasaina ho matoanteny , dia tononina toy ny fomba fanonona ireo matoanteny frantsay hafa rehetra ihany, izay mifarana amin'ny “-er” (“spoiler”) ary tanisaina toy ny matoanteny tsy manara-drafitra (verbe régulier). Ety an-tambajotra, azonao atao ny mahita lahatsoratra maro natokana ho an'ny voambolana “spoilers”, ary, toy ny amin'ny fiteny anglisy, itarainana ireo “ relous ” izay mpanao ny “ heloka ” fanaon'ny divulgâcheur .
Ny mahatsikaiky amin'ilay fiteny dia izy fiteny anglisy nalaina avy amin'ny fiteny frantsay tranainy hoe “espoillier” (niavian'ilay fiteny frantsay maoderina hoe “spolier”), izay mampiseho ny fifanakalozana feno harena eo amin'ny fiteny roa tonta rehefa mandeha ny fotoana.
Avoir le savon : na ity fiteny ity aza dia fandikàna ny hoe “ sabune ya roho “, fitenin-jatovo swahili midika hoe “ny savonin'ny fanahy. Ny hoe “Avoir le savon” dia entina manondro olona iray manam-bola ary manao fiainan'ny mpanankarena. Fakàna sary an-tsaina ny savony izay sady manasa no mampadio, mitàna anjara toerana mitovitovy amin'izany ny vola satria mamafa ireo olana andavanandro ho an'ireo olona miaina anaty fiadanana. Mahazatra ny fampiasàna ilay fomba fiteny eny anivon'ny tontolo andrenivohitra ao Roandà (any amin'ny ilany atsinanan'i Afrika ).
Noraisin'ireo artista mpiangaly mozika io fomba fiteny io. Toy ilay hira mitondra lohateny hoe “ Coup d'état ” an'i Bulldogg feat Sacha , vondrona mpanakanto roandey:
Hoy ny tsonga avy amin'ilay hira :
Samy maka vola daholo, misasa amin'ny vola ry zareo. Ny vola no lasa savony isasàn-dry zareo. Araka izany dia ananan-dry zareo ny savony hanadinoana ny olany rehetra ary ampitomboiny ny an'ny vahoaka.
Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org
|
https://mg.globalvoices.org/2024/10/17/171984/
|
Fihazakazahana haka vizà eorôpeàna ao Afrika: Tevana ara-bola makadiry tsy azo antoka
| 2024-10-17T04:07:22
|
Unknown
|
Sarin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena ao Parisy Charles de Gaulle. Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube Gemini
Isantaona dia an'arivony ireo teratany Afrikàna mitsapa vintana amin'ny alàlan'ny fifindramonina ara-dalàna ho any Eorôpa. Marobe anefa ireo tsy tafita. Niteraka varomazina ny fahasahiranan-dry zareo mifampiraharaha amin'ireo masoivoho eorôpeàna, ka trandrahan'ireo mpanelanelana mivarotra toerana amin'ny vidiny lafobe mba hahafahana manatrika ny dinidinika hahazoana vizà.
Tamin'ny 2022, fanadihadiana iray nataon'ny BBC no namboraka fa lehibe ny isanjaton'ireo tanora ao Afrika maniry ny handao ny tanibe mba hikatsaka fiainana tsara kokoa any Andrefana. Na nisy aza ireo hetsika marobe, toy ny fanentanana tanaty media, ny fampitomboana ny fampahatsiarovan-tena ary ireo hetsika fanabeazana, fanakiviana ny fanaovana fifindramonina tsy ara-dalàna, dia lavina ny hanome ny vizà ho an'ny ankamaroan'ireo olona, nefa efa nandoa sarany be mihoa-pampana tamin'ny fangatahana . Ohatra, 140 dôlara amerikàna ny salan-karama isambolana ao Senegal, nefa ny vizà eorôpeàna dia mety hisanda 100 dôlara (90 Euro) na mihoatra.
Tamin'ny 2023, tombanana ho 54 tapitrisa Euro (60 tapitrisa dôlara amerikàna) no lanin'ireo Afrikàna tamina fangatahana vizà faritra Schengen, tsy nahazoana fahafahampo. Ity fanadihadiana kely ity, nataon'ny fantsona media AJ+ tao amin'ny Al Jazeera Media Network , no mitondra fanazavàna ny toedraharaha:
Ao anatin'ity fanadihadiana kely ity, Rémy Nsabimana, mpanao gazetin'ny AJ+ no milaza fa nandrafitra paikady ireo firenena eorôpeàna mba hanasarotana ny fiainan'ireo marobe mpangataka vizà, indrindra fa ireo avy ao Afrika. Mampanontany tena azy hoe fotoana ve izao sa tsia ho an'ireo firenena Afrikàna mba hanamafisana ny fampifanandrifiana ny fomba fanao satria ireo teratany Eorôpeàna dia tsy mila vizà rehefa handeha ho any amin'ireo firenena ao amin'io tanibe io. Araka ny lahatsoratra iray ao amin'ny BBC, fandraharahana iray mampidi-bola be io, izay natsangan-dry zareo firenena eorôpeàna:
Schengen News indique dans ses statistiques qu’en 2023, les ressortissants africains ont reçu 704 000 réponses négatives à leurs demandes de visa. Ce nombre de visas refusés représente 41,3 % de tout le montant généré par les demandes rejetées cette année.
Ny antotanisan'ny Schengen News dia mitatitra fa 704.000 ireo teratany Afrikàna no nahazo fandàvana ny fangatahany vizà tamin'ny 2023. Maneho fisondrotana 41,3 isanjato io tarehimarika io amin'ny fitambaran'ireo fangatahana vizà nolavina tamin'io taona io.
Lavantin-toerana hahafahana manao dinidinika haka vizà
Ao Senegal, misy toejavatra iray hafa manampy trotraka ny toedraharaha efa manahirana atrehan'ny ankamaroan'ireo Afrikàna. Araka ny tranonkala ôfisialin'ny masoivoho, tsy hisy fanomezana fotoana hanao dinidinika hakàna vizà ato anatin'ny volana maromaro. Na izany aza anefa, ireo mpanelanelana izay efa nahavita namandrika mialoha ireo fotoana fanaovana dinidinika dia manome tolotra misy sandany lafo mba hahafahana mahazo antoka ny hiatrehana ireny dinidinika ireny.
Anatin'ny toejavatra tahàka izany, ilay media senegaly La Maison des Reporters (Reporters House) dia nanao fanadihadiana momba ny rafitra iray fivarotana toerana ho an'izay sahy ambony indrindra ity. Ao anaty fandraisampeo iray mitondra lohateny hoe “Mila vizà aho, saingy tsy manana ‘rendez-vous’ dinidinika ”: fanadihadiana anatin'ny trafika iray voarindra, La Maison des Reporters dia miresaka ireo singa rehetra mitondra ho amin'izany fomba fanao izany: mampiahiahy ny olona ny momba ireo fotoana fanaovana dinidinika, mila mahafeno fepetra marobe ireo mpangataka mba hahazoana fotoana, ary ny anjara toerana lalaovin'ireo iraka diplaomatika amin'ny fanamoràna ny firoboroboan'io varomazina io, na dia lavin-dry zareo aza aza ny fananany andraikitra amin'izany. Azonao henoina eto io fandraisampeo io:
Satria maro ny isan'ny fangatahana vizà sy ireo tsindry ara-bola izay manakana ny nofinofin'ireo mpangataka mba hitady fiainana tsara kokoa any an-kafa, dia toa tsy misy ahian'ireo mpanelanelana ny momba ny fandraharahàna fanaon-dry zareo amin'izao fotoana izao amin'ny fivarotana toerana hanatrika dinidinika.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/10/12/171745/
|
Vehivavy ao amin'ny sehatrasa fitrandrahana ao Afrika: Lahatsary fanadihadiana nataon'i Aïssatou Fofana
| 2024-10-12T05:41:26
|
Unknown
|
Vehivavy Togoley avy amin'ny indostrian'ny harena ankibon'ny tany. Pikantsary nalaina tamin'ny lahatsary ”Vehivavy afrikanina miasa amin'ny sehatr'asa fitrandrahana ao amin'ny L’écologiste Infos L’écologiste Infos .
Amin'ny ankapobeny, heverina ho asan'ny lehilahy ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany. Na izany aza, maro amin'ireo vehivavy Afrikana no miasa amin'ity indostria mivelatra haingana ity.
Afrika no kaontinanta manankarena mineraly indrindra maneran-tany. Maherin'ny 50 isanjaton'ny mineraly manerantany no ambanin'ny tany Afrikana. Manintona ny sain'ireo goavamben'ny harena ankibon'ny tany iraisampirenena ireo loharanon-karena ireo, goavambe mikasa hivelatra any amin'ireo firenena mitàna anjara toerana lehibe amin'ny toekareny ny fitrandrahana.
Manaraka ny tantaran'ireo vehivavy Afrikana maromaro miasa ao amin'ity orinasa ity ho ao anatin'ny horonantsary fanadihadiana voalohany nataony i Aïssatou Fofana , Ivoariana mpanao gazety momba ny tontolo iainana. Mampiseho ny zava-misy any Côte d'Ivoire sy Togo ity horonantsary fanadihadiana ity. Raha tokony ho resin'ny sary sy ny hevitra raiki-tapisaka teo amin'ny sehatra izay hita matetika fa ho an'ny lehilahy ihany, nizara ny traikefany manokana ireo vehivavy Aïssatou Fofana natao fanadihadiana sy nalaina horonantsary.
Tamin'ny antsafa WhatsApp nifanaovana tamin'ny Global Voices, niresaka momba ny zavaniainany sy ny antony nanohizany ny tantaran'ireo vehivavy ireo ilay mpanatontosa sarimihetsika.
Jean Sovon (JS): Nahoana ianao no nanao lahatsary fanadihadiana momba ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny indostrian'ny fitrandrahana? Ahoana no nahafantaranao an'io toe-javatra io?
Aïssatou Fofana (AF) : Ce film a été réalisé dans le cadre du projet final du programme de Bourse consacrée aux médias et aux créateurs de contenu de l'Union africaine . On devait faire un choix entre diverses thématiques proposées dans le cadre de la bourse et réaliser un projet. Cela pouvait être un film documentaire, un article de presse (dossier), des émissions radio, des podcast….
Mon choix s’est porté sur les femmes de ce secteur. J'avais remarqué qu'on entendait pas beaucoup parler d'elles dans les médias, alors qu'elles participent à leur niveau, au développement de socio-économie de leur pays. C'est en cela que mon choix s'est porté sur la Côte d'Ivoire et le Togo. Voilà un peu comment se situe le contexte du choix de ce sujet là.
Aïssatou Fofana (AF) : Nanao ity horonantsary fanadihadiana ity aho ho an'ny Vatsy natokana ho an'ny fampitam-baovao sy ny mpamorona votoatin'ny Vondrona Afrikanina . Tsy maintsy nosafidiana ny iray amin'ireo lohahevitra samihafa naroso hahazoana vatsy sy hanatontosana tetikasa. Mety ho lahatsary fanadihadiana, lahatsora-gazety, fandaharana amin'ny radio, na rakipeo anjotra (podcast)…
Nisafidy ny vehivavy miasa amin'ity sehatrasa ity aho satria tsy dia maheno firy momba azy ireo amin'ny fampitam-baovao, na dia mandray anjara amin'ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ao amin'ny fireneny aza izy ireo. Izany no nahatonga ahy nifantoka tamin'ity lohahevitra ity tany Côte d'Ivoire sy Togo.
Ao amin'ny ampahany voalohany amin'ity lahatsary fanadihadiana ity, miresaka momba ny asa andavanandrony ireo vehivavy avy amin'ny sehatrasan'ny fitrandrahana ao Côte d'Ivoire:
JS: Inona ireo fanamby manokana atrehin'ny vehivavy amin'ity asa ity? Ahoana no fahitan'ny lehilahy mpiara-miasa aminy sy ny sarambabem-bahoaka azy ireo?
AF : Le premier défi qui me vient à l’esprit, c'est le fait d'évoluer dans un secteur qui est à majorité dominé par les hommes. Vous pouvez comprendre que c'est pas vraiment évident d'évoluer dans un tel domaine, surtout si la plupart d’entre eux ont une vision “traditionnelle” ou “patriarcale” de la femme dans la société : celle dont la place est d’emblée à la cuisine ou encore à la maison à s’occuper de son époux et de ses enfants. Cela occasionne des frictions pour celles qui s’y aventurent.
Le second challenge est au niveau de la famille. Si elle est mariée et a des enfants, c'est sûr qu'il va falloir faire la part des choses et vraiment s'organiser pour pouvoir travailler convenablement pour que son travail n'empiète pas sur sa famille. C’est dans ce type de contexte qu’avoir un partenaire de vie compréhensif et ouvert tient tout son sens ! Car sinon, ce serait un problème de plus auquel il faudra faire face au quotidien.
En général, les informations sont limitées sur ce milieu, en particulier celles sur les femmes qui y travaillent; d'où mon intérêt sur cette question. L’idée était de réaliser un documentaire afin de lever un coin de voile sur ce qu'elles font, les réalités qu'elles traversent, comment elles font face à ces défis et comment elles arrivent aussi à faire carrière dans ce secteur dit d’hommes.
AF: Ny fanamby voalohany tonga ao an-tsaina dia ny fahafahana mandroso amin'ny sehatrasa anjakan'ny lehilahy. Azonao an-tsaina fa sarotra ny mandroso amin'ny sehatrasa toa izany, indrindra fa manana fomba fijery “nentin-drazana” na “anjakan-dehilahy” ny ankamaroan'ny lehilahy manoloana ny vehivavy eo anivon'ny fiaraha-monina, mametraka ny vehivavy ho ao an-dakozia na ho ao an-trano, mikarakara ny vadiny sy ny ankizy. Miteraka disadisa ho an'ny vehivavy miditra amin'ilay sehatrasa vaovao izany fomba fijery izany.
Ny fanamby faharoa dia eo amin'ny fianakaviany. Raha manambady sy manan-janaka izy, dia tsy maintsy mandanjalanja sy mandamina mba hiantohana fa tsy manelingelina ny fiainam-pianakaviana ny asany. Ao anatin'ny toe-javatra toa izany no ahatsapàna ny halehiben'ny fananana sakaiza amin'ny fiainana mahatakatra sy misokatra! Raha tsy izany, olana hafa tsy maintsy atrehin'ny vehivavy isan'andro izany.
Voafetra ny torohay momba ity sehatrasa ity, indrindra momba ireo vehivavy miasa ao, ka nahatonga ahy ho liana amin'ity lohahevitra ity. Te hanao lahatsary fanadihadiana manazavazava ny zavatra ataon'izy ireo, ny toe-javatra iainany, ny fomba iatrehany ireo fanamby ireo, ary ny fomba fananganana asa ao amin'ity antsoina hoe sehatrasan'ny lehilahy ity aho.
JS: Inona marina no ataon'ny vehivavy amin'ity sehatrasa ity? Injeniera ve izy ireo sa mpitrandraka?
AF : Dans le film documentaire, les femmes interviewées exercent à différents niveaux, et selon leur domaine d’expertise au sein de leurs sociétés de mines. Dans la société de mine d’Ity en Côte d’Ivoire, Laetitia Gadegbeku Ouattara est la directrice Pays d'Endeavour Mining ; Carine Kouko est géologue de production sénior ; Kadidiatou Diarra, est géologue d’exploration junior ; et Marthe Bertine Yavo est superviseur camp et voyage.
Quant aux femmes du Togo, Rosine Atafeinam Abalo est Dr en géologie et géotechnique et chargée d'investissement à Togo Invest. Dotse Akouavi Jeannette et Aladouadjo Belam, sont toutes deux sont des conductrices d’engins lourds appelés dumper.
AF: Samy manana ny toerany, amin'ny ambaratonga samihafa, araka ny manavanana azy ireo vehivavy noantsafaiko tamin'ity fanadihadiana ity. Ao amin'ny orinasam-pitrandrahan'i Ity ao Côte d'Ivoire, talem-pirenen'i Endeavor Mining i Laetitia Gadegbeku Ouattara; jeolôgy matihanina amin'ny famokarana kosa i Carine Kouko; jeolôgi-mpitrandrahana mpiana-draharaha kosa i Kadidiatou Diarra, ary mpiantsoroka toby sy dia i Marthe Bertine Yavo.
Mikasika ny vehivavy ao Togo, Rosine Atafeinam Abalo dia Dokotera momba ny Jeolojia sy Geoteknika ary mpitantana fampiasam-bola ao amin'ny Togo Invest. Dotse Akouavi Jeannette sy Aladouadjo Belam dia samy mpamily milina mavesatra antsoina hoe dumpers.
Ao amin'ny tapany faharoa amin'ity lahatsary fanadihadiana ity, tantarain-dry zareo vehivavy Togoley tamin'i Aïssatou Fofana ny niainany sy ny sakana tsy maintsy noreseny mba hidirany ao amin'ny sehatry ny fitrandrahana sy hahitany fahombiazana arakasa eo amin'ny sehatry ny asa:
JS: Nahoana izy ireo no manao izany karazana asa izany? Tsara karama kokoa noho ny asa hafa ve izy ity?
AF : Au cours de mes entretiens, jamais ces femmes n'ont parlé du fait que c'était un métier mieux payé que d'autres métiers ou un métier qu’elles voulaient pour pouvoir être riche, avoir beaucoup d'argent. C'est un secteur qui les a attirées et elles voulaient faire carrière là-bas. C'est cette motivation et cette passion qui a déterminé leur choix et elles ont tout fait pour intégrer ce secteur et y évoluer. Donc ce n'est pas pour des raisons financières.
Est-ce que ce secteur est mieux payé que d'autres, je ne saurais le dire parce que je n'ai pas focaliser mon travail sous cet angle et je n'ai même pas eu à poser cette question. Ce qui m'intéresse, c'est le parcours, les challenges qu'elles ont traversés, comment elles ont pu relever ces défis et comment elles continuent d'évoluer dans ce secteur là malgré tous ces problèmes auxquels elles ont fait face.
Elles n’ont également pas fait mention de ce que c’était un métier mal payé. Ce que je peux vous assurer, c’est qu’elles sont épanouies et heureuses de leur choix de carrière.
AF: Nandritra ny tafatafa nataoko, tsy nilaza mihitsy ireto vehivavy ireto fa tsara karama kokoa noho ny hafa na hampanan-karena sy hananam-bola be. Voasarika tamin'ity sehatrasa ity ry zareo ary naniry ny hanana asa amin'izany. Nisy fiantraikany teo amin'ny fanapahan-kevitr'izy ireo izany finiavana sy fitiavana izany, ary nanao izay azo atao izy ireo mba hidirana amin'ity sehatrasa ity sy hivoarany. Noho izany, tsy noho ny antony ara-bola izany.
Tena tsy afaka nilaza aho raha toa ka tsara karama kokoa noho ny hafa ity sehatrasa ity satria tsy nijery tamin'izay lafiny izay ary tsy nanontany izany akory. Ny mahaliana ahy dia ny lalana nodiaviny, ny fanamby natrehin'izy ireo, ny fomba nandreseny izany, ary ny fomba nivoaran-dry zareo tao amin'ity sehatrasa ity na dia eo aza ny olana mahazo azy.
Tsy nilaza mihitsy izy ireo fa asa ratsy karama io. Izany hoe, afaka manome toky anao aho fa afa-po amin'ny safidiny amin'ny asany ry zareo.
JS: Ny toeram-pitrandrahana izay iasan'ireo vehivavy ireo ve nasionaly, vahiny, sa tsy ara-dalàna? Manana sendikà manokana ve ny vehivavy?
AF : Les sites miniers que j’ai visités sont légalement constitués. Le Société des Mines d'Ity est en activité depuis 1991. L’État ivoirien y est actionnaire à 10% et la Société des Mines, à 5% , et les 85% sont détenus par Endeavour Mining . Les femmes ont également leurs associations. En Côte d’Ivoire, au niveau national, il y a le Réseau des Femmes du Secteur Minier de Côte d’Ivoire (FEMICI) , et He For She Mines Côte d’Ivoire . Au niveau de la Société des mines d'Ity, il y a l’Association des Femmes des Mines de Ity(AFEMI) . Au Togo, l’ Association des Femmes du Secteur Minier ou en Entreprise du Togo (AFEMET) existe au niveau national. Mme Rosine Atafeinam Abalo, l’une des femmes que j’ai interviewée, en est la présidente.
Au niveau africain, l’ AWIMA (Association of Women in Mining in Africa) le réseau d’organisations et d’associations nationales de femmes africaines dans les secteurs de l’exploitation minière, du pétrole et du gaz.
Au niveau international, les prix WIN100 récompensent les 100 femmes qui sont pionnières, qui apportent des changements positifs et significatifs pour que le secteur minier puisse fonctionner de manière responsable, durable et inclusive.
AF : Voasoratra ara-panjakana ara-dalàna ireo toeram-pitrandrahana notsidihiko. Niasa nanomboka tamin'ny taona 1991 ny Société des Mines d'Ity . Manana petra-bola 10 isanjato amin'izany ny governemanta Ivoariana, la Société des Mines 5 isanjato , ary ny Endeavor Mining 85 isan-jato . Manana ny fikambanany manokana ihany koa ny vehivavy. Any Côte d'Ivoire, misy ny fikambanam-pirenena toa ny Tambajotram-behivavy eo amin'ny sehatrasam-pitrandrahana ( FEMICI) sy ny He For She Mines Côte d’Ivoire . Manana ny Association des Femmes des Mines d’Ity ( Fikambanam-behivavy mpitrandraka an'Ity na AFEMI ) ny S ociété des Mines d’Ity . Ao Togo, misy ny Association des Femmes du Secteur Minier ou en Entreprise du Togo (Fikambanam-behivavin'ny sehatry ny fitrandrahana na amin'Orinasan'i Togo na AFEMET) , izay i Rosine Atafeinam Abalo, iray amin'ireo vehivavy nitafatafako, no filohany.
Ao Afrika, misy ny Fikambanam-behivavy ao amin'ny fitrandrahana eto Afrika ( AWIMA ), tambajotran'ireo fikambanana nasionaly sy fikambanam-behivavy afrikanina amin'ny sehatrasam-pitrandrahana, solika ary etona.
Eo amin'ny sehatra iraisampirenena, manome valisoa ho an'ireo vehivavy 100 mpamakilay mitondra fiovana mivaingana ny Loka the WIN100 mba hahazoana antoka fa miasa amin'ny fomba tompon'andraikitra, mateza sy mampiditra ny maro ny sehatrasam-pitrandrahana.
JS: Inona no politika ara-tontolo iainana ampiharin'ny orinasa?
AF : Les sites miniers que j'ai visité en Côte d'Ivoire au Togo sont légalement constitués, avec le respect des consignes de sécurité pour entrer sur les sites. La société des Mines d'Ity par exemple, à un axe environnement et développement durable dans sa politique de gestion. Nous avons également pris part à un planting d’arbres lors du tournage du film.
AF : Voasoratra ara-dalàna ary manana fepetram-piarovana eo am-pidirana ny toeram-pitrandrahana notsidihiko tany Côte d'Ivoire sy Togo. Ohatra, manana rantsana ara-tontolo iainana sy fampandrosoana mateza ao amin'ny politikam-pitantanany ny Société des Mines d'Ity . Namboly hazo ihany koa izahay nandritra ny fakana an-tsary ity horonantsary fanadihadiana ity.
Ao anatin'ity sehatrasa mivoatra haingana sy mihamitombo hatrany amin'ny sehatra iraisampirenena ity, maka ny toerany ara-drariny amin'ny fitoviana amin'ny lehilahy ny vehivavy Afrikana.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/10/08/171846/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #17
| 2024-10-08T14:54:34
|
Unknown
|
Pikantsary avy amin'ilay rakitsar'ilay hira “Tchop” an'i Keblack ao amin'ny YouTube
Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna sy matetika maka dika vaovao mihitsy. Hita eto avokoa ireo fizarana rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole .
Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay :
Маршрутка: amin'ny fiteny rosiàna, io voambolana io, tononina hoe ‘marchroutka’ dia manondro rafitra taxibe nipetraka hatramin'ny vanim-potoana sôvietika ary mbola velona any anatin'ireo firenena marobe taorian'ny Firaisana Sôvietika, na any Okraina izany, na any Azia Afovoany. Io fomba fiteny io dia avy amina voambolana frantsay roa : “marche” sy “route” – mandalo amin'ny fiteny alemàna ho an'ilay dika amin'ny fiteny rosiàna – ary mandefa antsika ho any amin'ny fikisahan-javatra iray miala amin'ny niandohany mankany amin'ny fiafaràny. Ao anatin'ny tontolo sôvietika sy taorian'ny sôvietika, ireny fiara ‘minibus’ ireny izay afaka mitatitra olona hatramin'ny roapolo mipetraka ary maromaro no mitsangana dia miandry ho feno vao miainga manaraka zotra efa hain'ny maro, ary mijanona eny amin'izay tenenin'ireo mpandeha izay mandoa ny saran-dalany amin'ny fampitampitàna izany mandalo ireo mpandeha hafa eo alohany. Ny “marchroutka” dia mariky ny dia lavitra, mazàna anaty fepetra tsy dia ahazoana aina loatra (mangatsiaka, fiandrasana ela, ny isan'ny mpandeha maro loatra izay miady) sy matetika miaraka amin'ny mozika (araka izay tian'ny mpamily) ary mijanona ho traikefam-piainana ifampizaràn'ny firenena maro tao anatin'ny Firaisana Sôvietika fahiny izay mitahiry io voambolana rosiàna io any anatin'ny fitenin-dry zareo tsy nasiany fandikàna. Ity lahatsary kazakh fohy ity no maneho tsara ny fiasan'ireo “marchroutkas” izay mivezivezy any ambanivohitra hatrany amin'ireo tanàna akaikin'ireo tanàndehibe :
Batom , raha maro isa dia batons : midika “rouge-à-lèvres” (lokomena), fa avy amin'ny voambolana frantsay “bâton” (“pau” amin'ny fiteny pôrtiogey), noho ny endriny. Somary mitovy fanonona amin'ny frantsay ihany izy, na eo aza ny voanteny “m” ery amin'ny farany, satria ho an'ny fiteny pôrtiogey dia atao feo an'orona ny “n” na “m” manaraka zanatsoratra. Marobe ny voambolana frantsay avy amin'ny tontolon'ny lamaody sy ny ankosotra ho fanatsaran-tarehy no nalain'ny pôrtiogey. Ohatra, ho an'ny pôrtiogey ny hoe “maquillage” dia lasa “maquiagem”, ary ny “boutique” lasa “butique”.
Niditra any anatin'ny kolontsain'ny daholobe sy hira mitondra io anarana io ilay fomba fiteny. Ny “Batom” ihany koa dia anarana sôkôlà iray malaza, izay ny endriny sy ny habeny dia mampahatsiahy ny an'ireo lokomena, an'ny marika “garoto” (izay midika hoe “gamin” – na zaza).
Tchop : ao Kamerona, io voambolana io dia fitenin-jatovo ampiasaina amin'ny fiteny eny an-dalambe ho toy ny anarana na matoanteny iresahana momba ny sakafo na ny fihetsika mihinana. Saingy misy dikany iray faharoa ihany koa mandefa antsika ho any amin'ny toepo ratsin'ny olona iray. Ity lahatsoratra an'ny tranonkala Black Square ity no manome ohatra vitsivitsy amin'ny fampiasàna ny fomba fiteny “Tchop”:
J’ai envie de tchop = te-hihinana aho izany. Rehefa miteny ny profesora, “ça me tchop” = Rehefa miteny ny profesora, manirikiry ahy izany.
Io fomba fiteny io dia hita anaty fomba fiteny marobe noraisin'ny Camfranglais, fiteny kiriolona ao Kamerona, ohatra ny “ Nouchi ” izay ampiasaina any Côte d’Ivoire. Nivoaka avy eny amin'ny tontolon'ny mpianatra ao Yaoundé , ny Camfranglais dia ampiasaina manerana an'i Kamerona. Keblack , Frantsay mpanakanto manam-piaviana frantsay, dia nampiasa ny hoe “Tchop” ho toy ny lohatenin'ny iray amin'ireo hirany malaza izay iresahany ny toepo ratsiny vokatry ny tantaram-pitiavana iray ratsy fiafaràna. Ato ny lahatsarin'ilay lohateny “ Tchop ” an'i Keblack:
Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay : filip.noubel@globalvoices.org
|
https://mg.globalvoices.org/2024/10/07/171733/
|
Ireo fanondroana samihafa ny atao hoe “mainty” ao Sodàna
| 2024-10-07T16:04:15
|
Unknown
|
Vehivavy miloko henna ny tànany, ao Sodàna, 11 Febroary 2005. Saripika an'i Steve Evans tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0.)
Weam Al bachir no nanoratra ity lahatsoratra ity ary tamin'ny 19 Martsa 2024 no navoaka voalohany tao amin'ny Raseef22. Dika nasiam-panovàna no averin'ny Global Voices avoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana fiarahamiasa iray hifampizara votoaty.
Tsy ela akory izay dia nitontona tamina sariko fony aho mbola zazakely aho, ary ao an-damosiny no hita misy soratry ny raiko manao hoe : « Manga ny zanakay vavy » : « Manga ny zanakay vavy ». Fikasàny ny handefa azy io tany amin'ireo rahalahiny sy anabaviny ao Sodàna hoentin'ny iray tamin'ireo mpanao fivahinianana masina niverina avy any La Mecque, narahana taratasy iray milaza ny fahaterahan'ny zanany vavy “manga” vaovao.
Olona iray teraka fotsy na mainty, misy fahasamihafàna sy fiovaovàna vitsivitsy. Misy tombondahiny sasantsasany omena iretsy voalohany, ary fahasarotana ho an'ireo manaraka. Any amin'ireo firenena samihafa ao amin'ny Gôlfa sy Levanta dia mbola ambany kokoa ny zo maha-olompirenena ananan'ireo Arabo mainty hoditra, izay sokajiana ho toy ny vokatry ny fifindramonin'ireo Afrikàna fahagola na taranak'ireo mpanompo sy andevo .
Mainty no iheveran'izao tontolo izao ny vahoakan'i Sodàna, firenena afrikàna iray manana firazanana sy foko isankarazany mifangaro. Ao anaty rakibolana, lasa ny anaran'ilay firenena no ilazàna amin'ny fiteny arabo (« aswad ») ny fahamaroan'ny loko “mainty”. Kanefa, mampihomehy fa azo ambara ho tsy mampiasa mihitsy ny hoe “mainty” ry zareo Sodaney ho entiny milaza ny volon-kodiny!
Ny baranjely no hany tondroin-dry zareo ho “mainty”, araka izany, ny endriky ny baba ghanoush ao Sodàna dia fantatra amin'ny anarana hoe « salady mainty. » Raha ny resaka volon-koditra indray, marobe ny ilazan'ny vahoaka sodaney ny loko mainty.
Kaleidôskôpin'ny volon-koditra ao Sodàna
Ny Sodaney iray manana volon-koditra faran'izay madio dia lazaina ho “mena”, anondroana ny loko somary mena hita indraindray amin'ireo manana volon-koditra faran'izay mazava. Indraindray izy ireny antsoina koa hoe « Halabi », misy ifandraisany amin'ny tanànan'i Halab, fiteny arabo ilazana an'i Alep , taranaka avy amin'ireo vondrom-piarahamonina siriàna nifindra nankany Sodàna fahagola. Ankapobeny ilay famaritana, na tsy mitovy aza ny fiaviana, ary ahitàna ireo Sodaney manam-piaviana egyptiàna, ary ireo manana volon-koditra mazava sy volo mainty antitra.
Avy eo dia misy ireo Sodaney mavo, aza afangaro amin'ny loko mariky ny tazovony! Ity fanondroana ity dia ilazàna ireo izay manana hafotsiana somary mitentina mavo; io no tena lokon-koditra mibahan-toerana amin'ireo mponina ao amin'ny Gôlfa. Ity loko ity no nitondra ireo tombony maro sitrahan'ny fotsy hoditra ary mifanaraka amin'ny fiheverana momba ny hatsaran-tarehin'ireo tandrefana, raha ampitahaina amin'ireo « Halaibis, » misy ifandraisany amin'ny tananan'i Hala'ib . Ireo Sodaney “mavo” no heverina ho toy ny tena Sodaney madio tsy mitapoka.
Misy ihany koa ny loko « divay » na « varimbazaha », fiavahana mazava tsara indrindra ho an'ny volon-koditra miloko volon-tsôkôlà. Arakaraky ny fitomboan'ny mélanine , antsoina hoe « maitso » no volon-koditry ny olona iray. Ao amin'ny firenena niaviako, ny maitso dia tsy hoe fotsiny lokon-koditr'ireo avy any amin'ny planeta hafa na ny zavamaniry . Matetika ianao no mandre ny hoe « mamelombelona ny hamaitsony, » izay midika fa manjelanjelatra ny hodiny matroka, toy ny voankazo masaka.
Ary avy eo misy ireo Sodaney « manga » izay, tsy toy ireo schtroumpfs , tsy manga fa somary mainty lokon'ny sasakalina, toy ilay lanitra amin'ny alina an'i Vincent van Gogh miaraka amin'ireo tentina mangany . Ao Sodàna, toy ny any amin'ny ankamaroan'ireo toerana hafa manerana ny tany, ny olona manana volon-koditra « manga » dia mahazo tombon-dahiny vitsivitsy, fa koa iharan'ny fanavakavahana volon-koditra sy fanilikilihana.
Matetika aho no mandre olona « manga » milaza ny tenany ho abed , fiteny arabo milaza ny hoe « andevo, » fomba fiteny iray mivantambantana mitovy amin'ny ‘ n ‘ ho an-dry zareo amerikàna tavaratra. Reko ihany koa ireo taria mangingiana mametra-panontaniana momba ny fiaviana ara-pokon'ny olona iray « manga » amin'ny fandinihana ny orony, sy hatraiza ny maha-ngita ny volony — ireo toetoetra mampiavaka ka heverin'ny Sodaney sasantsasany ho toy ny fitsapàna tena tsy misy diso hijerena ny tarazo ara-poko.
Ny sasany mampifandray ireo Sodaney « manga » amina foko miavaka sy amin'ireo firenena afrikàna mpiray vodirindrina mba ho entiny manaporofo ny arabisma madiorano. Nolavina sy nanaovana fanamarihana maneso sy misoko mangina ny fifanambadian'ireo foko samihafa, na izay rehetra fiatahana tamin'ireo fenitry ny fiarahamonina: « Fa ahoana koa no mba nahafahany nanambady an'io arabo io? »
Akon'ny maripamantarana ara-tsosialy
Ifikiran'ny fiarahamonna sodaney ny arabisma sy ny firazanana lazaina fa avy amin'ireo kalifa arabo fahiny . Ny fanontaniana apetraka amina Sodaney iray momba ny foko niaviany dia fampahatsiahivana ara-piarahamonina iombonana, ary tsy mahagaga raha vady tsy manana afa-tsy toetoetra hoe “fotsy sy lava volo” no tadiavin'ny tovolahy iray.
Itambesaran'ireo fenitra tandrefana, henjana sy tsy mitombina momba ny hatsaran-tarehy, dia miroso amin'ny fampiasàna fanafody ‘cortisone’ ny sasany amin'ny ankizivavy. Mampihena ny famoahana “mélanine” izany ary mitarika ho amin'ny fitazonana rano ao amin'ny vatana ireny fanafody ireny, mahatonga azy ireny ho « maha-maivamaivana/mamelombelona. » Ireo fanafody mamotsy hoditra sy “ exfoliants ” dia heverina ho toy ny filàna ho an'ny ankamaroan'ireo tovovavy tonga amin'ny taonan'ny tokony hanambady.
Raisina ho toy ny manana hoditra madio ireo ray sy reniko; lokom-barimbazaha ny an'ny zokiko lahy ary mavo ny an'ny anabaviko. Izaho kosa anefa dia tonga toy ny fiviliana ara-tarazo. « Maitso » aho na araka ny nolazain'ny raiko tao anatin'ny taratasy nalefany dia « manga »
Avy amin'ireo ray aman-dreniko ny fitiavako ny volon-koditro, ary hàlako, araka izany, ny fampiasàna ireo sivana fanatsarana endrika miparitaka mameno ireo sehatra anaty media sôsialy.
Indray andro aho nody avy any an-tsekoly, nitondra ny filazam-pahaizana isam-bolana avo lenta teny an-tànana, latsa-tomany satria nolazain'ilay Saodiàna “mavo” mpiray kilasy tamiko hoe “ abda ” teo am-pivoahana ny sekoly. Nampahery ahy ny reniko, nampitony ahy tamin'ny filazana fa ny fahaizako any am-pianarana, ny masoko baliaka, ny volomasoko manify sy ny voloko lavabe no nialonan'ilay zazavavy kely.
Nihalehibe tao anatin'ny finoana fa manja aho. Nolalaiko ireo voloko lavabe ary tsy notapahako mihitsy. Tsara be ny fahitàko ireo masoko, eny fa na tsy naharaisako doka mihitsy avy amin'olona aza ny momba izany, ankoatra ny reniko. notazoniko hanify ny volomasoko ary tsy tapaka aho ny namolavola azy ireo, ary nolaviko ny hampiasa ireo fanafody manafotsy hoditra, tsy noraharahaiko ireo sosokevitra avy amin'ireo akaiky ahy.
Araka izany dia mahita mihoatra lavitra noho izay hitan'ireo mpampikambana aho. Na ilay profesora amin'ny anjerimanontolo izay nisisika niantso ahy « Sôkôlà » aza, fa tsy ny tena anarako (nitsiky tsy ravo aho ary nampahatsiahy azy ny anarako isak'izay mihetsika), na ilay sipa mpandalo tao Egypta niteny tamiko, indray andro izay, tamim-pitiavana hoe « nefa manana fo fotsy sy tsara daholo ianareo rehetra», izay midika fa afaka fenoin'izany ny lokon-koditra matroka anananay.
Mihoatra lavitra noho ny habetsahan'ny “mélanine” ao anatin'ny hoditray izahay, ary na oviana na oviana dia tsy tokony ho izany no hamaritra izay tombony ho anay na ny fahambanianay.
Tsy hihambo aho hoe mahatakatra feno ireo fitsaràna an-tendro henjana sy ny fanasokajiana ara-poko atrehan'ireo Sodaney « manga » amin'ny maha-mainty hoditra vitsy an'isa azy ireo ao anatina firenena iray ao amin'ny Gôlfa, na zaza « maitso » ho ana ray aman-dreny « mavo », nanome ahy vina sy faharesen-dahatra izay, enga anie, hanampy ahy handresy ireo fanilikilihana tsy mitondra vokatra.
Ary antenaiko fa aorian'ny fiarenanay avy amin’ io ady io , sy ny fidiovanay hialàn'ny lovan'ireo tombondahiny ara-tsôsialy sy ara-poko izay nomen'ny fitondràna teo aloha vàhana, na mela ny fandringanana ireo foko tany andrefana sy atsimon'i Sodàna. Indraindray, tsapako ho toy ny mandoa ny sandan'ny fahanginany ireo manampahefana ao Khartoum manoloana ireo zava-nitranga tao Darfour , raha izao tontolo izao kosa mitazana tsy miloa-bava. Ambonin'izany , ireo olompirenena tsotra no tena mijaly mafy indrindra, mizaka ireo fiantraika henjan'ireo korontana anatiny sy ny fanarahamaso iraisampirenena.
|
https://mg.globalvoices.org/2024/09/26/171682/
|
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizarana faha-16
| 2024-09-26T07:39:34
|
Unknown
|
Pikantsary amin'ny clip-n-kira “Tchizambengué” an'i Shan'L ao amin'ny YouTube
Tsy mitovy avokoa ny endrika teny frantsay ampiasaina eran-tany. Ao amin'ny fizaranay ny “ Les mots ont la parole ” (An'ny voambolana ny fitenenana), no anomezanay voninahitra voambolana na fomba fiteny manokan'ny faritra, firenena, vondrom-piarahamonina iray, nefa koa tsy azo adika izay tazoninay amin'ny teny frantsay araka izany, na adikanay ampahany, ary ireo voambolana frantsay miditra amin'ny fiteny hafa ary tsy adika, nefa manana heviny vaovao indraindray.
Hita eto daholo ny fizarana teo aloha rehetra: Les mots ont la parole .
Androany izahay nisafidy ireto teny sy fomba fiteny telo ireto:
Tchiza: Amin'ny teny frantsay resahana ao Gabon, ny voambolana “ tchiza” dia mitondra mankany amin'ny sipa na vadikelin'ny lehilahy iray manambady. Voambolana nohatsaraina avy amin'ny “maîtresse” ary manoritsoritra ireo vehivavy mijoro amin'ny anjara asany ary manambàra ireo tinakiny, mamely ny vady ofisialy raha ilaina izany. Voambolana vavin'ny “tchizo” anondroana ny lehilahy, araka ny azavain'ity ranty média gaboney Lebanco ity. Tchiza: Amin'ny teny frantsay ampiasaina amin'ny teny Gabon, ny teny hoe “tchiza” dia manondro ny olon-tiany na tompovavin'ny lehilahy manambady.
Niely nanerana an'i Afrika miteny frantsay io voambolana io. Izany no mahamaro ireo afrikanina mpanakanto toa an'ilay Gaboney Shan’L , ilay Ivoariana Lil Jay Bingerack , ny Togoley Ralycia , na ilay Beninoà Axel Merryl isehoan'ilay Kongoley Gaz Mawete no mampiasa ny voambolana Tchiza amin'ny hirany, mba hankalazàna na hanamelohana izany toe-javatra izany.
Indro ny lahatsarin -kiran'i Shan'L:
Ao amin'ny tsongan'ny hira, nampiasain'ny artista Shan’L ny voambolana mba hilazana ny fifandraisana eo amin'ny sipa (“tchiza”) sy ny vady ara-drariny (“Maman”).
Tu me traites de tchizambengué [forme longue du mot tchiza]
Mais je suis la seule qui le rend dingue
Maman arrête tu nous embêtes
Antsoinao hoe tchizambengué [endrika lavan'ny teny hoe tchiza] aho
Fa izaho irery no mahadala azy
Neny ajanony fa manelingelina anay ianao
J’ai pas le time: Fomba fiteny mampifangaro frantsay sy anglisy midika hoe “tsy manam-potoana”. Na izany aza, mampiditra esoeso iray amin'ny fitenin'ny tanora, izay voataona kokoa amin'ny teny anglisy, indrindra amin'ny votoaty anjotra izany. Mampiasa teny vahiny anoloana teny frantsay fantatry ny rehetra, mba ilalaovan-teny sy isehoana ho fetsy. Hita ao amin'ny tononkira maromaro io fomba fiteny io.
Na dia mety haharanga ny sasany aza ny mety hisian'ny fifindran'ny teny frantsay, dia manam-pahaizana maro no milaza fa tsy miteraka olana ny fampiasan'ny tanora ny teny anglisy, ary ny mifanohitra amin'izany aza, mampanan-karena ny fiteny io dingana io amin'ny fanomezana safidim-voanteny bebe kokoa sy ny haavon'ny fiteny.
Debakl: Mazava ho azy fa avy amin'ny voambolana frantsay hoe “débâcle” io voambolana tseky io ary hita indrindra amin'ny teny literera na fampitam-baovao indrindra amin'ny fanehoan-kevitra ara-politika sy ara-panatanjahantena, araka ny asehon'ity lahatsary miresaka fifidianana vao haingana tao amin'ny Repoblika Tseky ity izay ahitana ilay voambolana ao amin'ny lohateniny:
Krajské volby 2024: Ani úspěch, ani fatální debakl, zhodnotil Fiala volby. Musíme být lepší, dodal
Fifidianam-paritra 2024 : Sady tsy fahombiazana no tsy débâcle (faharesena) mahafaty, manoritra ny voka-pifidianana i Fiala [praiminisitra]. Tsy maintsy manao tsaratsara kokoa isika, hoy ihany izy.
Amin'ny teny frantsay, ny ôrizinaliny dia manondro fiempon'ny ranomandry , avy eo nandray ny dikan'ny faharesena, matetika mahamenatra, araka ny fampiasa azy ao amin'ity lahatsoratra Global Voices [mg] ity:
Cette récompense est survenue lorsque le président Petro a surgi pour défendre le Mexique dans la débâcle de l’ambassade, et que le Nicaragua et le Venezuela ont coupé les liens avec l’Équateur.
Tonga izao valisoa izao rehefa nipoitra hiaro an'i Meksika ny filoha Petro manoloana ny fikorontanan'ny masoivoho, ka nanapahan'i Nikaragoà sy Venezoelà fifandraisana tamin'i Ekoadaoro.
Tafiditra tao amin'ny literatiora frantsay ihany koa izy amin'ny tantara nosoratan'i Zola tamin'ny taona 1892, mitondra ny lohateny hoe “La débâcle” .
Raha manana voambolana na fomba fiteny hozaraina ianao mba hampidirana azy ireo ao amin'ny fizarana“ Les mots ont la parole ”, dia mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org
|
https://mg.globalvoices.org/2024/09/24/171627/
|
Ireo fandresena sy fitsapan'i Afrika nandritra ny lalao paralaimpikan'ny taona 2024
| 2024-09-24T03:54:14
|
Unknown
|
Famaranana 100 metatra T52 lalao paralaimpikan'i Paris 2024. Sary avy amin'i Ibex73 ao amin'ny Wikimedia Commons ( CC BY 4.0 ).
Avy amin'i Adesewa Olofinko sy Richard Wanjohi
Notanterahina ny 28 aogositra hatramin’ny 8 septambra lasa teo tany Paris ny lalao Paralympika taona 2024 , izay nanamarika fotoan-dehibe ho an’ireo firenena afrikanina.
Sady nampiseho zava-bita niavaka ny kaontinanta no nisedra fitsapana tamin'ny lalao paralaimpika. roa teo anivon'ny fanamby mitohy amin'ny para-sport manerana ny kaontinanta. Atleta manodidina ny 4.400 manerana izao tontolo izao no mifaninana hahazo medaily 549 amin'ireo taranjam-panatanjahantena 22 ifaninanana , voamarika ny fisoloan-tenan'i Afrika, nahitana mpandray anjara para-atleta 312 avy amin'ny firenena 44.
Nahazo medaly 64 ireo firenena afrikanina, nihoatra iray monja noho ny Paralaimpikan'i Tokyo taona 2020 . Mitsinjara ho medaily volamena 23 tamin’ireo firenena 8, ka i Maraoka no nitarika ny andiany tamin’ny nahazoana medaly 15, ka 3 ny volamena. Nanara-dia akaiky i Alzeria, nahazo ny medaily voalohany teo amin’ny para-fivoizan-dakana, ka nahazon'i Brahim Guendouz volamena teo amin’ny kilasy KL3.
Fanamontsanana zavabita tsara indrindra
Nampanakoako ny anarany teo amin'ny tantara i Folashade Oluwafemiayo , mpibata fonjaby avy any Nizeria sady indroa tompondaka Paralaimpika, tamin'ny nandrombahany volamena teo amin'ny sokajy para-mpibatana fonjaby vehivavy sokajy 86 kg ary lasa para-atleta voalohany teo amin'ny tantara nahabata 166 kg. Toy izany koa, i Onyinyechi Mark nanamontsana ny zavabita eran-tany indroa misesy teo amin’ny sokajy vehivavy 61 kg. Nibata ny 147 kg izy tamin'ny voalohany mba hametraka zavabita vaovao, ary nihoatra izany fotoana fohy taty aoriana tamin'ny fanaingàna 150 kg, nahazoan'i Nizeria medaily volamena.
Niditra ho tantara teo amin’ny badminton ihany koa i Mariam Eniola Bolaji avy any Nizeria, ka lasa mpilalao afrikanina voalohany nahazo medaily teo amin’ilay fanatanjahantena na tamin’ny Paralaimpika na tamin'ny lalao olaimpika .
Teo amin'ny atletisma, niaro ny anaram-boninahitra teo amin'ny hazakazaka 1.500 m T13 vehivavy i Tigist Mengistu avy any Etiopia, raha nahagaga izao tontolo izao kosa ny mpiray tanindrazana aminy Yayesh Gate Tesfaw tamin'ny fanamontsanana zavabita eran-tany tamin'ny famaranana 1.500 m T11 vehivavy. Nanampy ny voninahitry ny kaontinanta i Fatima Ezzahra El Idrissi avy any Maraoka, nandrava ny zavabita eran-tany tamin'ny hazakazaka T12 vehivavy nandritra ny famaranana tao anatin'ny 2 ora, 48 minitra, ary 36 segondra — nandraoka efa ho enina minitra tamin'ny zavabita teo aloha.
Teo amin’ny lalao famaranana 100 m T13 lehilahy, nandrombaka volamena tamin’ny 10,42 segondra i Skander Djamil Athmani avy any Alzeria. Nahazo volamena hafa koa izy, teo amin’ny 400 m T13 lehilahy. Nandritra izany fotoana izany, nametraka zavabita Paralaimpika vaovao teo amin'ny fanipazana kapila tamin'ny 38,70 metatra i Simoné Kruger avy any Afrika Atsimo , latsaka 12 sm monja noho ny zava-bita manerantany.
Nisy ireo fotoana hafa nisongadina avy any Maorisy, izay nankalaza ny medaily paralaimpika voalohany tamin’ny nandrombahan’i Yovanni Philippe halimo teo amin’ny hazakazaka T20 400 m lehilahy.
Anisan’ireo nanamafy ny lova navelan-dry zareo i Raoua Tlili , avy any Tonizia, izay nahazo medaily volamena roa hafa, ka nahatratra 8 ny medaly paralaimpika azony ary 10 ny fitambarany.
Lomano ao amin'ny Lalao Paralaimpika. Sary avy amin'i Ibex73 ao amin'ny Wikimedia Commons ( CC BY 4.0 )
Hita mivaingana tamin'ny sehatra media sosialy ny fientanam-po nanodidina ny Lalao, izay nanjary lasa sehatra tsy afa-miala amin'ireo atleta afrikana sy mpanohana hizarany ny diany sy hanangonany ny fanohanan'ny vahoaka. Nampiasa sehatra toy ny Instagram sy Facebook ireo mpankafy manerana ny kaontinanta mba hanarahana ireo atleta tiany indrindra, hankalaza ny zava-bitany, ary hanosika hahazoan'ny fanatanjahantena Paralaimpika fankatoavana tsara kokoa .
Tao amin'ny X (Twitter taloha), nizara vaovao farany sy nankalaza ny zava-bitan'ireo atletany Komitin'ny Paralaimpika Afrikana;
“Team Nigeria 🏆 ” Folashade Oluwafemiayo wins a gold medal at the Paralympics, and she sets a new world record in the women's over 86kg Para-Powerlifting category, becoming the first Para-athlete to lift 166kg.”
Nahazo medaly volamena ny “Ekipa Nizeria 🏆 ” Folashade Oluwafemiayo teo amin'ny Paralaimpika, ary nametraka zavabita eran-tany vaovao teo amin'ny sokajy Para-fibatana fonjaby vehivavy sokajy mihoatra ny 86kg, ka lasa para-atleta voalohany nahainga 166kg.
Nanome voninahitra an'ireo atletany ihany koa ny ekipan'i Afrika Atsimo ;
“Medaly enina ho an’ny ekipan’i Afrika Atsimo amin’ny lalao paralaimpika! 🇿🇦💪Nanosika lavitra kokoa ny fetrany ny atletantsika, nanome aingam-panahy ny firenena tamin'ny toe-tsaina tsy azo sakanana sy ny fanoloran-tenany. 💚💛 Nampirehareha an'i Mzansi ianareo!
“The first African athlete to win a Paralympic medal in badminton: Nigeria's Mariam Eniola Bolaji 🏸
“Ny atleta afrikanina voalohany nahazo medaly paralaimpika teo amin’ny badminton: Mariam Eniola Bolaji avy any Nizeria.
Nanome hirika hanasongadinana ireo fanamby mbola atrehin'ireo atleta afrikanina manana fahasembanana ny Lalao Paralaimpika 2024 na dia eo aza ireo fahombiazana azo. Mbola takona ny fivoarana noho ireo olana toy ny famatsiam-bola tsy mifanentana amin'ny tokony ho izy, ny tsi-fisian'ny toeram-panazarantena sy fotodrafitrasa sahaza ary ny fitantaram-baovao voafetra . Nitana anjara toerana lehibe tamin'ny fanasongadinana ireo olana ireo ny media sosialy, nandrisihan'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona hampiasa vola bebe kokoa amin'ny fanatanjahantena Paralaimpika ao amin'ny kaontinanta.
Nidera ireo atleta noho ny zavatra maningana vitan'ireo atleta i Samson Deen , filohan'ny Komity Paralaimpika Afrikana, raha niresaka tamin'ny BBC Sport Africa ary nanantitrantitra fa ilaina ampitomboina ny fanohanana:
“African athletes have shown that if our governments and our people lift up support, they are going to perform much, much better.”
“Nasehon'ireo atleta afrikanina fa raha manampy fanohanana ny governemantantsika sy ny vahoakantsika, dia hanao zavatra tsara kokoa ry zareo.”
Satria natolotra hoan'i Los Angeles tamin'ny lanonam-pamaranana feno aingam-panahy ny saina Paralaimpika, dia hitodika any amin'ny Lalao 2028 ny mason'izao tontolo izao.
Ho fiatrehana ny lalao olaimpikan'ny taona 2028 any Los Angeles, ho laharam-pahamehan'i Afrika ny fampitomboana ny isan'ny mpandray anjara sy ny haavom-pifaninanana. Niisa 312 ireo para-atleta nalefan’ny firenena 44 eto amin’ny kaontinanta, ka firenena sivy no manana solontena iray monja.
Kasaina hatao amin’ny taona 2027 ny lalao faharoa paralaimpika afrikanina , ka hofantenana mialoha ny faran’ity taona ity ireo mpampiantrano. Tapaka izany taorian'ny fahombiazan'ny lalao fanokafana notontosaina tao Accra, Ghana, tamin'ny taona 2023. Hirika hahafahan'ireo para-atleta tsara indrindra aty amin'ny kaontinanta hifaninana amin'ny sehatra ambony indrindra izany.
|
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.