url
stringlengths
41
46
title
stringlengths
10
284
date
timestamp[s]date
2007-09-12 12:24:22
2025-12-16 16:17:35
author
stringclasses
1 value
content
stringlengths
113
36.1k
https://mg.globalvoices.org/2024/01/16/167816/
Fantaro ireo sakafo Malagasy manana ny lazany
2024-01-16T03:40:38
Unknown
Les Menakely, une des spécialités de la cuisine malgache. Photo de Mamisoa Raveloaritiana Menakely , anisan’ny mampiavaka ny sakafo malagasy. Sary avy amin'i Mamisoa Raveloaritiana Mampiavaka ny sakafo malagasy ireo nahandro maro isan-karazany indrindra noho ireo zava-manitra betsaka ananan’ny firenena. Mahasarika ireo mpizaha tany i Madagasikara , antsoina koa hoe “ Nosy Mena ”, manondro ny tanimena mandoko ny lembalembany, noho ireo tora-pasika tsara tarehy sy ny masoandro, ary koa noho ny fahaiza-mahandro malaza izay manambatra ireo fahaizana manokana nasionaly, sy isam-paritra. Firenena nosy tropikaly sady nosy fahefatra lehibe indrindra eran-tany , feno voankazo sy legioma ary hazan-dranomasina i Madagasikara. Ny sakafo malagasy dia t aratry ny tantara nampifangaro ny fitaoman’ireo mpifindra monina Indiana, Azia Atsimo Atsinanana, Arabo, Afrikana ary Sinoa izay nanorim-ponenana teto Madagasikara taloha kokoa, tany amin’ny andian-taona 1800. Nandritra ny fanjanahan-tany frantsay (1897-1946), nisy akony tamin’ny nahandro malagasy ihany koa ny sakafo frantsay. Izany rehetra izany no manampy amin'ny fahasamihafan'ny sakafon'ny Nosy. Sakafo tsy azo ihodivirana eto Madagasikara Ny vary no foto-tsakafo eto Madagasikara. Mihinam-bary in-telo isan’andro ny Malagasy mandavan-taona, ka anisan’ny mpihinam-bary betsaka indrindra maneran-tany . Aroso miaraka amin'ny laoka matetika io sakafo fototra io, ka mety ho zava-maniry na misy henambiby. Matetika ampiana taharo toy ny sakamalaho , tongolo be , tongolo gasy , voatabia , lavanila , sira , karia , na zava-manitra na anana hafa ireo nahandro ireo mba hanomezana tsiron-tsakafo kokoa ho an'ny vary. Misy karazany roa ny vary masaka: vary antsoina hoe vary sosoa (karazana vary lasopy, vary malefaka), sy vary maina . Ny vary sosoa amin’ny ankapobeny no hohanina amin’ny maraina mba hanombohana tsara ny andro sy hohanina ny sakafo hariva, raha hohanina amin’ny sakafo atoandro kosa ny vary maina. Misy ihany koa ny vary amin’anana , fitambaran’ny vary sy anana maitso. Mampiseho ny fomba fahandro azy ity lahatsary ity: Anisan’ny sakafo mampiavaka ny malagasy ny koba ravina . Mofo mamy sy malefaka vita amin'ny lafarinina varimbazaha, akondro sy siramamy, nofonosina ravina akondro. Atao tsindrin-tsakafo na sakafo maivana (goûter) izy io. Tsindrin-tsakafo nentim-paharazana hita amin'ny sakafon'ireo mpahay nahandro kalaza ihany koa izy. Malaza any amin’ny tanàna sasany ireo manam-pahaizana manokana amin’io sakafo sarotra karakaraina io. Talata Volonondry , fokontany ambanivohitra any amin’ny roapolo kilometatra avaratr’Antananarivo renivohitr’i Madagasikara no malaza amin’ny fomba fanamboarana azy. Lahatsary mampiseho ny fomba fikarakarana koba ravina: Mampalaza ny sakafo malagasy ihany koa ireto nahandro roa hafa mitovy fomba fikarakarana nefa samy hafa tsiro ireto. Vita amin’ny kobam- bary avela hilòna mandritra ny alina ary ahandroana amin’ny afo kitay ao anaty lasitra. Mofom-bary mamy ny Mokary na mofo gasy , atao sakafo maraina indrindra. Aroso mafana na mangatsiaka, ary ampiarahina amin’ny kafe na dite. Ny Ramanonaka kosa dia mokary na mofo gasy masira saingy azo ampiana tsiro hafa toy ny lavanila, sôkôla na voaniho. Ramanonaka. Sary avy amin'i Mamisoa Raveloaritiana Iray amin'ireo sakafo lehibe malaza ny Romazava . Laoka nentim-paharazana saingy manana toerana tsy iadian-kevitra amin'ny nahandrom-paritra. Fitambaran'ny henan'omby, indraindray makamba, trondro ary anana mafana na anamalaho. Aroso miaraka amin’ny vary fotsy ny Romazava . Manana tsiro manokana avoakan'ny anamalaho , ka tsapa ny tsiro somary masiaka. Arakaraka ny maha betsaka ny anamalaho no vao mainka mahery izany fahatsapana izany. Azo soloina epinara ity taharo ity. Lahatsary mampiseho ny fomba fikarakarana azy: Tsy inona akory fa ravin-mangahazo malefaka totoina amin’ny laona na fitotoana hena ny Ravitoto . Matetika a fangaro amin’ny henan-kisoa matavy na ranom-boaniho voakiky izy. Ary asiana tongolo gasy . Miaraka amin'ny lasary voatabia kely voaravaka persily , natao hohanina miaraka amin'ny vary ny ravitoto. S akafo saro-devonina indraindray ny ravitoto ka tsara raha asiana siramamy iray sotrokely. Ravitoto, miaraka amin'ny vary fotsy sy lasary voatabia. Sary tao amin'ny bilaogin'ny Travel Inspires Ny Ranon’ampango na Ranovola (midika hoe “rano miloko volamena”) dia zava-pisotro nentim-paharazana malaza eto Madagasikara, izay matetika antsoina hoe zava-pisotro nasionaly . Karazana rano vita amin'ny vary maina izy. Sotroina amin'ny fotoana fisakafoana ary ankafizina noho izy mitondra soa ny ranovola. Ny Ranovola dia azo avy amin’ny fahandroana vary miraikitra amin’ny fanambanin’ny vilany izay niniana nodorana. Fantatra fa manitra ny vary amin'izany fotoana izany. Rehefa masaka ny vary ka esorina ao anaty vilany, dia misy sosona vary may miraikitra ambanin'ny vilany, io no antsoina hoe “apango” ka nahatonga no anarana hoe “ranon'ampango”. Asiana rano fotsiny izy avy eo dia vonona ny ranovola rehefa miloko volamena ny rano. Ranon'ampango ou ranovola. Sary nahazoana alalana avy amin'ny Pays Madagascar . Anisan’ny vakoka ara-tsakafo malagasy ny voanjobory . Tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ihany no ambolena ity zava-maniry karazana voamaina ity, ary manankarena proteinina sy otrikaina. Matetika aroso miaraka amin'ny vary ho an'ny sakafo atoandro ary amin'ny ankapobeny miaraka amin'ny henan-kisoa na henan'omby na saosisy. Sakafo nentim-paharazana ny voanjobory miaraka amin'ny anana toy ny romazava . Misy karazany roa ny voanjobory: ny voanjobory lena sy ny voanjobory maina . Lahatsary mampiseho ny fikarakarana voanjobory: Ahitana sakafo matsiro eto Madagasikara izay miovaova arakaraka ny faritra. Noho izany dia toerana mety tsara ho an'ireo mpankafy nahandro tsara.
https://mg.globalvoices.org/2024/01/15/167824/
Ao Bénin, lasa hoe “Andron'ny Vodun” izao ilay fetim-pirenena Vodun
2024-01-15T08:04:55
Unknown
Sarin'ny vodun Zangbeto, Pikantsary nalaina tamin'ny fantsona YouTube an'ny Le P'tit Reporter Tazonin'i Bénin ireo fankalazàna isantaona ny fombafombam-pivavahana andôzena fantatra amin'ny anarana hoa “fetim-pirenena vodun “, saingy noraisiny ny fanapahankevitra hampitombo ho avo roa heny ny faharetany, tamin'ny alàlan'ny fanovàna ny anaran'io hetsika io ho “Andron'ny Vodun” nanomboka ny Janoary 2024. Ao amin'ny Repoblikan'i Bénin , ny 10 Janoary dia atokana ho an'ny fetim-pirenena vodun ka eo no ankalazàna ireo fombafombam-pivavahana vodun isankarazany misy ao amin'ny firenena. Tany amin'ny 1993 io fety io no natombok'i Nicéphore Soglo , filoha nitondra an'i Bénin ny 1991 hatramin'ny 1996, izay manamarika araka izany ny fankatoavan'ny vahoaka ao Bénin ny kolontsainy sy ny tantarany ao anatin'ny sahan-kevitr'io ara-panahy io. Tanàndehibe roa no mandray ireo hetsika mifandray amin'io fankalazàna io : ny tanànan'i Ouidah ,  42 km any andrefan'io  Cotonou, renivohitry ny firenena; ary ireo morontsiraka ao amin'ilay tanàna amoron-dranomasina Grand-Popo , any atsimon'ny firenena, manakaiky ny sisintany iraisan'i Bénin sy Togo. Nandritra ny taona marobe, ny andron'ny 10 Janoary ihany no nanaovana ny fankalazàna. Ankehitriny, ny 2024 dia lasa hetsika atao mandritra ny andro roa izy (9 sy 10 Janoary) ary maka ny anarana hoe “ Andron'ny Vodun ” . Ity taona ity izany no manamarika ny andiany voalohany amin'ireo Andron'ny Vodun eo amin'ny tanin-dry zareo ao Bénin, araka ny nanambaràn'ny governemanta azy tao amin'ny tranonkalany sy ny kaonty X (Twitter teo aloha): 🇧🇯 La Fête du Vodun se réinvente avec un nouveau rendez-vous autour des arts, de la culture et de la spiritualité Vodun : les Vodun Days 🌍 🗓️ Rendez-vous les 9 et 10 janvier 2024 à Ouidah ! 🔥 #VodunDays #Wasexo #TT229 pic.twitter.com/z4TNtzQ2iK — Vodun Days (@vodundays) November 10, 2023 Mihavao hatrany ny Fetin'ny Vodun, miaraka amina fotoana ifanomezana manodidina ny zavakanto, ny kolontsina ary ny tontolo ara-panakin'ny Vodun: ny Andron'ny Vodun 🗓️  9 sy 10 Janoary 2024 ny fotoanantsika ao Ouidah ! 🔥 #VodunDays #Wasexo #TT229 pic.twitter.com/z4TNtzQ2iK — Vodun Days (@vodundays) 10 Novambra 2023 Ny “Andron'ny Vodun”,  teny anglisy iray tsotra ampiasain'ny firenena iray mampiasa sy  miteny frantsay ho entiny milaza ilay hetsika, dia maneho ny fanirian'ireo manampahefana ao Bénin hanao izay haha-iraisampirenena kokoa ilay hetsika. Nandritra ny fihaonany tamin'ireo media ao Bénin, tamin'ny 1 Desambra 2023,  Babalola Jean-Michel Abimbola, minisitry ny Fizahantany, ny Zavakanto ary ny Kolontsaina ao Bénin no manazava hoe : Tazonin'ny ‘‘Andron'ny Vodun’’ ny maha-izy azy ara-kolontsaina fonosin'ny teny hoe ‘‘Vodun’’, fa tsy ilay fiteny notsotsorina ho Vaudou, saingy ambonin'ny rehetra dia misokatra amin'izao tontolo izao izy ireny, miaraka amin'ny teny hoe “Andro” izay ahafahan'ireo firenena rehetra sy tanibe hafa mahafantatra fa ireo dia andro atokana ho an'ny kolontsaina sy ny tontolo ara-panahy Vodun. (…) Ny fandinihana natao dia ny hijerena izay fomba fampifamatorana ny faniriana hanokatra ny varavarantsika amin'izao tontolo izao sy ny fomba hanamarihana ny maha-tokamiavaka ny satantsika maha-toerana nahaterahan'io lova io. Anatin'izay rafitra izay no itazonantsika ny maha-tokamiavaka ny fanoratra ny  ‘‘Vodun’’ sy ny fisokafana amin'izao tontolo izao miaraka main'ny teny hoe ‘‘andro’’, izay hisokafantsika amin'ireo kolontsaina, amin'ny tontolo hafa. Manana vahoaka mihoatra ny 13 tapitrisa ilay firenena. Toy izao ireo tarehimarika avy amin'ny fanisàm-bahoaka farany natao tao Bénin tamin'ny 2013 sy ny firafitry ny ara-pivavahana ao amin'ny firenena: 48,5% no kristiàna, 27,7% miozolmàna ary 14,2% ireo mpandàla tsy mivadika amin'ny vodun . Saingy tsy miombon-kevitra amin'io antontanisa io ny profesora Mahougnon Kakpo, filohan'ny kaomitin'ireo fombafombam-pivavahana vodun . Raha nitafa tamin'ny Bénin Intelligent , izy dia mihevitra fa ny vodun no fivavahana tena arahana voalohany ao Bénin: Raha mandeha mijery ireo antontanisan'ny PNUD ianareo, dia ho voalaza aminao fa : ao Bénin, ny kristianisma no fivavahana voalohany arahana, avy eo ny silamo, ary manaraka azy ny animista. Izay no lazain-dry zareo. Hitanareo ve hoe ahoana ny fomba ataony hanodinkodinana, handisoana ny marina ? Ao Bénin,ny Vodun no fivavahana voalohany arahana. Nahoana? Satria tsy misy fianakaviana eto Bénina ka tsy mitazona ny fombafombam-pivavahan'ireo razambe. Amin'ny alàlan'ny “Andron'ny Vodun”, manomboka izao dia tian'i Bénin ny hiadidy ny sata maha-toerana niavian'ny vodun azy. Ampiraisin'io fivavahana io ireo tsy hita maso sy ireo hery miafina izay ampiasain'ireo mpanaraka azy hifandraisana amin'ireo andriamanitra. Hita any amin'ireo firenena sasantsasany ao Afrika Andrefana, toa an'i Togo, Bénin, Nizerià, io tontolo ara-panahy io koa dia arahan'ireo vondrom-piarahamonina mainty hoditra ao amin'ny tanibe amerikàna, indrindra fa ao Brezila, any Etazonia sy any Karaiba. Tany ampiandohan'ny fotoam-pitondràny voalohany, Patrice Talon , filohan'i Bénin nanomboka tamin'ny 2016, dia nanamafy ny fanolorantenany hampamirapiratra ny fivavahana vodun any ivelan'ny sisintaniny sy ivelan'ny tanibe. Ampahatsiahivin'n y Office de Radiodiffusion et de Télévision du Bénin (ORTB) io fanolorantena io ao anatin'ny fanadihadiana iray tamin'ny 30  Novambra 2023: Raha kolontsaina jody-kristiàna ny an'i Eorôpa, ary  kolontsaina islamika ny an'ny Tatsinànana, mba kolontsaina inona ny an'i Afrika? Mpanompo sampy ny ray aman-drenintsika ary namorona dihy, sary, sarontava ka izany no nandrafitra ny lovantsika ara-kolontsaina sy nakan'ireo mpanakantontsika ny aingam-panahiny. Kolontsaina Vodun ny an'i Afrika. Ary ho asehontsika an'izao tontolo izao io lova  io izay manankarena be, mahery vaika, tsara tarehy io ka izao tontolo izao no ho finaritra hahita azy. Fifamotoanan'ireo taranaka avy amin'ny afrikàna Toy ny isantaona, marobe ireo mpanao fombafomba vodun ao Togo, Nizerià,  Ghana sy manerana ny tany no tonga amin'io fihaonana iraisampirenena io. Hita mandritra io fihaonana io ihany koa ireo taranaka avy amina Afrikàna tonga avy any Brezila, Etazonia, Haïti sy Kanadà. Ho an'ny sasany amin-dry zareo taranaka andevo ireny, dia fotoana iray fanararaotra io hanangonana angovo vao any amin'ny tanin'ny razany taloha niharan'ny fanjanahana, araka ny fanazavan'ity lahatsarin'ny Tv5monde ilay fety tamin'ny 10 Janoary 2023: Fomba iray hanomezana lanja ny fizahantany Ny fihetsehan'ireo manampahefana ao Bénin manodidina ny resaka finoana ihany koa dia fotoana iray fanararaotra hanomezana lanja ireo harena ara-pizahantany ananan'ny firenena. Araka ny antsipirihany omen'i Pierre-Luc Roy ao anatin'ity lahatsary ity, mazàna no tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy ireo lova ara-kolontsaina sy ara-tantara : Ity andiany voalohany tamin'ny “Andron'ny Vodun” ity dia nahitàna ny fandraisana anjaran'ireo mpanakanto goavana ao Bénin, toa an'i Sagbohan Danialou, ny Frères Totin ; sy ireo Afrikàna toa an'i Kofi Olomidé , Yemi Aladé , Teni ; ary hatramin'ireo Haitiàna toa an'i Tabou Combo . Ireny anarana goavan'ny mozika ireny dia nandray anjara niaka-tsehatra tamin'ny kaonseritra teny amin'ny toerana nanaovana ny “Andron'ny Vodun”, tamin'ny 10 Janoary.
https://mg.globalvoices.org/2024/01/09/167759/
Ireo mpitolona sisampaty tamin'ilay rotaka tamin'ny 1959, mbola adino tanteraka tsy anaty tantaran'ny fahaleovantenan'i RDC
2024-01-09T11:27:40
Unknown
Sarin'ireo bekotro maroholatry ny rotaka tamin'ny 4 Janoary 1959, pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube – Tv5monde Fanadihadiana iray manoritra ampahany iray adino tamin'ny tantaran'ny fahaleovantenan'i RDC: ny tantaran'ireo bekotro maro holatra sisampaty tamin'ilay rotaka tamin'ny Janoary 1959. Ny andron'ny 4 Janoary 1959 no manamarika kihon-dàlana lehibe iray tamin'ny fizoran'ny vahoaka kôngôley nankany amin'ny fahaleovantenan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC). Tamin'io andro io, nisy rotaka nipoaka tao Léopoldville , Kinshasa (renivohitr'i RDC) amin'izao fotoana izao, teraka avy amin'ny fandàvan'ireo manampahefana belza mpanjanaka hanome an'ireo mpikambana avy amin'ny antoko pôlitika Alliance des Bakongo (Abako) ny zo ho afaka mifamory. Ireo mpikambana tao amin'io antoko io, tamin'izany notarihan'i Joseph Kasa-Vubu , ilay ho lasa filoha voalohany (1960-1965) tao RDC, no nanao hetsipanoherana na nisy aza ny fandraràna. Ny fanisàna ôfisialy dia nanome fa dimampolo no maty, raha ny antoko Abako kosa nilaza fa anjatony maro. Io fivorian'ny mpikambana avy amin'ny antoko Abako io dia voalahatra herinandro taorian'ny an'ireo mpikambana avy amin'ny Mouvement national congolais (MNC) an'i Patrice-Emery Lumumba , ilay ho praiminisitra atsy aoriana. Ireo mpitarika pôlitika roa ireo, Kasa-Vubu sy Lumumba, dia nitolona samy tamin'ny nisy azy avy mba hahazoana ny fahaleovantenan'ny firenena. Io andro 4 Janoary io dia nambara ho andro tsy iasàna ary ankalazaina manerana ny firenena mba ho fanomezana voninahitra ireo maritiora. Na izany aza anefa, ankehitriny dia zara raha velona amina vola fisotroan-dronono faran'izay manify dia manify raisin-dry zareo avy amin'ireo manampahefana ireo miaramila sisampaty izay niara-dàlana tamin'ny vahoaka tamin'izany fotoana izany sy niady tamin'ireo voanjo mpanjanaka. Ao anatin'ity lahatsary ity, ambaran-dry zareo fa leo izy ireo manoloana ny tsy firaharahian'ny governemanta. Mazava fa ireo bekotro maroholatra ireo anefa dia nandray anjara tao anatin'ny dingana iray fototra: nanomboka tamin'ny Janoary 1960, nisy latabatra boribory iray nampihaonana ireo Kôngôley sy ireo manampahefana belza tany Bruxelles ary nanapahana hevitra ny amin'ny datin'ny fahaleovantena: ny 30 Jona 1960 , lasa nahaleo tena tamin'ny fomba ôfisialy ny RDC. Ity horonantsary fanadihadiana ity mitondra lohateny hoe “Ho fahatsiarovana ireo maritioran'ny 4 Janoary 1959″ notontosain'ny ‘ Fikambanan'ireo Mpiasa avy any Congo-Kinshasa ao Frantsa (ATCK-France) no manoritra ireo fotoana lehibe tamin'io diaben'ny 4 Janoary 1959 io. Ao anatin'io fanadihadiana io, mandeha amin'ny ambaratongany no itantaran'ireo mpandray fitenenana ireo sorona nataon'ny vahoaka kôngôley, fa eo ihany koa ny tsy firaharahiana nataon'ireo voanjo belza, tamin'ny voalohany, hanome fahaleovantena, talohan'ny nahatonga saina an-dry zareo hiverina hijery ny zavamisy:
https://mg.globalvoices.org/2024/01/11/167708/
Ahoana no ahafahan'ny firenena Afrikana mizotra am-pahombiazana amin'ireo fifidianana taona 2024
2024-01-11T07:02:21
Unknown
Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube, ‘ Afrika taona 2024: Miandrandra ny taonan'ny fifidianana ‘ avy amin'ny FRANCE 24 English . Fampiasana ara-drariny. Fantatra fa hanatontosa  fifidianana ireo firenena Afrikanina maromaro amin’ity taona ity. Mitana anjara toerana lehibe amin'ny fampihenana ny fifandirana ny fifidianana azo itokisana sy ny fitantanana nohatsaraina, ka miteraka vokatra tsara eo amin'ny toekaren'ny firenena. Rehefa mandray andraikitra sy mangarahara ny fitondram-panjakana, dia mamorona tontolo mitarika ho amin'ny fampiasam-bola sy ny fitomboan'ny fandraharahana. Elections will be held in Ghana, South Africa, Algeria, Mali, Senegal, Mauritania, Guinea-Bissau, Tunisia, Chad, Burkina Faso, South Sudan, Rwanda, Namibia, Comoros, Botswana, Mozambique and Mauritius this year. — Africa Facts Zone (@AfricaFactsZone) January 1, 2024 Hotontosaina any Ghana, Afrika Atsimo, Alzeria, Mali, Sénégal, Maoritania, Ginea-Bissau, Tonizia, Tchad, Burkina Faso, Sodàna Atsimo, Rwanda, Namibia, Kaomoro, Botswana, Mozambika ary Maorisy ny fifidianana amin'ity taona ity. Na izany aza, misy ny tsy fahampian'ny fanantenana eo amin'ny Afrikana maro momba ny fifidianana ho avy, taorian'ny voka-pifidianana tamin'ny herintaona, anisan'izany ny tany Nizeria, Sierra Leone ary Zimbaboe. Naneho ny ahiahiny ireo mpisera sasany ao amin'ny X (Twitter taloha) fa mety hisy hosoka sy voamariky ny herisetra ny fifidianana. Mifanohitra amin'izany, manana fanantenana kosa ny hafa fa, amin'ity indray mitoraka ity, hahomby amin'ny fizotran'ny fifidianana ny firenena Afrikana. Tamin'ny taona 2023, nisy fifidianana natao tany amin'ireo firenena Afrikanina fito, tamin'ireo firenena fito ireo, samy nisian'ny ahiahy momba ny tontolo demaokratika ao amin'ny kaontinanta avokoa. Niatrika olana maro ny fifidianana tany Nizeria tamin'ny volana Febroary, izay nahatonga an'i Bola Tinubu ho filoha, ka isan'izany ny fividianana vato, fandrahonana mpifidy, fanafihana biraom-pifidianana, ary ny fahataran'ny manampahefana misahana ny fifidianana. Fanampin'izay, tsy nahavita nampiakatra ny voka-pifidianana tao amin'ny tranokalan'ny INEC hijerena ny voka-pifidianana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana , araka ny nampanantenaina tamin'ny androm-pifidianana. Tany Gabon, narahina fanonganam-panjakana ny fandresen’i Ali Bongo Ondimba nandritra ny fifidianana tamin’ny volana aogositra ka nitarika ny fanafoanana ny voka-pifidianana. Nanatri-maso ny fahalanian'i Julius Maada Bio indray tamin'ny volana jona lasa teo i Sierra Leone, saingy nanohitra ny valim-pifidianana ny antoko mpanohitra lehibe , tamin'ny filazana ireo “tsy fanarahan-dalàna miharihary.” Nanahy mikasika ny tsy fitovian’ny antontanisa tamin'ny voka-pifidianana filoham-pirenena ireo mpanaramaso iraisampirenena, ka nitaky ny hisian’ny mangarahara. Nahitana fiampangana hala-bato, fahataran'ny latsa-bato , ary fisamborana ireo mpanara-maso ny fifidianana ny fifidianana tao Zimbaboe tamin'ny volana Aogositra . Nitarika ny mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpanohana ny mpanohitra hiatrika fanamby ny vokatr'izany . Nahitana hetsi-panoherana mangataka ny hanemorana ny fifidianana i Madagasikara, saingy nanohy ny fitazonana ny fifidianana i Andry Rajoelina tao anatin'ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina , ankivy nataon'ny mpanohitra , ary fahavitsian'ny mpifidy . Namoaka didy manome rariny ny Filoha ny Fitsarana Tampony [mg], mamela azy hirotsaka hofidiana na dia nilaza aza ireo antoko mpanohitra fa tsy tokony mahazo mirotsaka izy noho izy mizaka zom-pirenena frantsay. Nanome fanantenana kely ny  fifidianana tany Liberia, nahitana an'i George Weah nitarika tamin'ny isa tery tamin'ny fihodinana voalohany saingy resin'i Joseph Boakai tamin'ny fihodinana faharoa. Niaiky tamim-pilaminana ny faharesena i Weah, ary nidera ny dingana ireo mpanara-maso iraisampirenena, anisan'izany ny Vondrona Eoropeana (EU), ny Fiaraha-monina ara-toekarena any Afrika Andrefana (CEDEAO=ECOWAS) ary Etazonia . Na izany aza, nisy fikasana fanonganam-panjakana nitranga tamin'ny Novambra 2023, niafara tamin'ny fiampangana an'i Ernest Bai Koroma, filoha teo aloha Sierra Leone , ireo mpiandraikitra ny fiarovana azy, Amadu Koita sy ny 11 hafa noho ny famadihana. Tany RD Congo, voafidy indray ho amin'ny fe-potoam-piasana faharoa ny filoha am-perinasa Félix Tshisekedi tamin'ny faran'ny volana Desambra 2023 , saingy ampangain'ny mpanohitra ny voka-pifidianana [mg]. Mbola hisy ny fifidianana amin’ity taona ity, mitranga ny fanontaniana raha hihatsara ny toe-draharaha. A zo hakana lesona ireo fifidianana teto amin’ny kaontinanta hiantohana ny fahafahana sy ny rariny ary ny fandriampahalemana amin’ny fifidianana ho avy any amin’ireo firenena afrikanina amin’ity taona ity. Nosoritan'ny fifidianana tamin'ny taona 2023 ny maha-zava-dehibe ny fitsarana sy ny rafi-pitantanana fifidianana samy mahaleotena amin'ny fiantohana tetezamita mangarahara. Araka ny nasongadin'ny Democracy in Africa , azo lazaina amin'ny ampahany ho avy amin'ny fahavitan'ny Fitsarana Tampony ao amin'ny firenena miatrika fampitahorana avy amin'ny fahefana mpanatanteraka ny fahamendrehana sy ny fahombiazan'ny fifidianana. Tokony haka tahaka ny ohatra nasehon'i Kenya tamin'ny taona 2013 ny fitsarana Afrikana, izay nanoheran'ny rafi-pitsarana ireo fandrahonana avy amin'ny mpanohana ara-politika . Nanantitrantitra ny anjara toeran'ny Vaomieran'ny Fifidianana (EC) amin'ny demaokrasia ao Ghana ny tatitra iray avy amin'ny Westminster Foundation for Democracy (WFD). Miorina araka ny lalàna sy ny zavamisy ( de jure sy de facto ) ny fahaleovantenan'ny EC , ka ny lalàmpanorenana no miaro amin'ny fifehezana ivelany ary manana mpiambina hatrany ny filoha sy ny filoha lefitra. Avoitran'ny tatitra fa ny manana anjara toerana lehibe mampahomby ireo tolo-kevitry ny mpanara-maso iraisampirenena ny haavom-pahaleovantenan'ny Vaomieran'ny Fifidianana. Nolazainy ihany koa fa na dia miatrika fanamby amin'ny fahaleovantena ara-bola aza ny Vaomieran'ny Fifidianana, izay matetika miantehitra amin'ny mpamatsy vola iraisampirenena noho ny tsy fahampiana sy ny fahataran'ny famatsiam-bola avy amin'ny governemanta, ahariharin'ny firaketana an-tsoratra ara-tantara ny finiavana hiezaka hihataka amin'ny fitaomana ara-politika sy hanoherana ny fitsabahan'ny mpanatanteraka. Avoitran'ny International Peace Institute ny fahombiazan'ny fahitana ny sehatra iraisampirenena tamin'ny fisorohana ny herisetra nandritra ny fifidianana tany RD Congo tamin'ny taona 2006 . Tsy maintsy mandeha ankoatra ny fanomezana angona sy ny fanambaràna an-gazety ireo iraka mpanaramaso, araka ny lazain'ny Democracy in Africa . Tokony hanohana amim-pahavitrihana ireo vondrona fiarahamonim-pirenena eo an-toerana izy ireo amin'ny fanoherana ny governemanta manitsakitsaka ny zon'ny olom-pirenena hifidy. Tokony hihoatra ny zara fa fanamelohana amin'ny fomba tsy mety amin'ny fifidianana ireo fikambanam-paritra toy ny Fikambanam-Pampandrosoana ny Atsimon'i Afrika – Southern African Development Community (SADC) na ny Vondrona Toekarena Afrikanina Andrefana (ECOWAS na CEDEAO), ny Vondrona Afrikanina (UA), sy ireo iraka iraisampirenana toy ny Vondrona Eoropeana (EU), ny National Democratic Institute (NDI), ary ny International Republican Institute (IRI) ao Etazonia. Na dia tsy afaka mitsabaka amin'ny raharaham-pirenena aza ny iraka mpanaramaso, azony atao ny mizara ireo angon-drakitry ny vondrona fiarahamonim-pirenena, ireo antoko mpanohitra ary antoko eo amin'ny fitondrana, manome hery azy ireo handray izay fepetra rehetra ilaina. Mifanohitra amin'izany, azon'ny governemanta vahiny atao ny mampihatra karazana fanerena amin'ny governemanta tsy demaokratika, mitovy amin'ny fihetsik'izy ireo amin'ny mpanao didy jadona miaramila. Fanampin'izany, soritan'ny tatitra hampiasan'ny vondrom-piarahamonina mpamatsy vola betsaka amin'ireo fikambanam-piarahamonim-pirenena Afrikanina sy amin'ny teknolojian'ny fifidianana elektrônika. Andry ianteherana amin'ny fiarovana ny demaokrasia ireo vondrona ireo, manao vivery ny ainy mihaika ny governemanta tsy demaokratika na dia eo aza ny fandrahonana avy amin'ny mpitandro ny filaminana. Nandray anjara tamin'ny fanatanterahana ny fanavaozana ny fifidianana tao Ghana ny fanetsiketsehana matanjaka nataon'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fanohanan'ny mpamatsy vola iraisampirenena, araka ny filazan'ny World Foundation for Democracy (WFD). Ny fifandraisana mahomby teo amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny Vaomieram-Pifidianana no niantoka ny fitompoa-manana sy ny fanerena hisian'ny fanavaozana.​ Manerana ny kaontinanta, iankinan'ny ain-dehibe hisian'ny fiovana ara-politika ny fampiharana ny fanavaozana ara-pitsarana, indrindra amin'ny fandrindram-pitantanam-bola ara-politika sy ny ezaka hanatsarana ny fisoloan-tenan'ny vehivavy eo amin'ny politika. Mitaky fitsarana sy sampan-draharaham-pitantanam-pifidianana samy mahaleotena, fanavaozan-dalàna, fanoloran-tena iombonana ho amin'ny mangarahara, fiaretana amin'ny fanerena avy any ivelany, ary fanohanana lehibe ho an'ny fiarahamonim-pirenena sy ny teknolojian'ny fifidianana elektronika ny fampahombiazana ireo fifidianana hoavy any amin'ireo firenena Afrikana. Tsy azo tsinontsinoavina ny mianatra avy amin'ny traikefa taloha sy ny fampiharana ireo lesona ireo amin'ny fampiroboroboana ny demaokrasia sy hiantohana ny vokatra tsara amin'ny fifidianana manerana ny kaontinanta.
https://mg.globalvoices.org/2024/01/10/167651/
Ao RDC, nampangain'ny mpanohitra ho feno hosoka ny fahalanian'i Félix Tshisekedi ho filoha indray
2024-01-10T07:16:46
Unknown
Félix Tshisekedi, nalaina tao amin'ny Félix Tshisekedi , YouTube de France 24 Voafidy indray ho filohan'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo ho amin'ny fe-potoam-piasana faharoa i Félix Tshisekedi tamin'ny faran'ny volana Desambra 2023, saingy miatrika fanoherana avy amin'ny mpanohitra izay tsy mankatoa ny fifidianana azy. Nambaran’ ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) ao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) tamin’ny 31 Desambra 2023 ny fahalanian'i Félix Tshisekedi indray ho amin'ny fe-potoana dimy taona faharoa taorian’ny fifidianana tamin’ny 20 sy 21 Desambra 2023. Araka ny vokatra, dia nahazo vato 73,34% avy amin'ny Kongoley ny filoha lany. Mpifidy maherin'ny 40 tapitrisa no nandrasana hifidy tamin'ireo mponina tombanana ho 100 tapitrisa mahery , saingy Kongoley 18 tapitrisa monja no nifidy, izay maneho ny taham-pandraisana anjara 43% . Mizara ny sisa ambin’ny vato ireo kandidà hafa ho amin'ny fahefana faratampony. Nahazo 18,08% tamin'ny vato Moïse Katumbi , avy amin'ny antoko Ensemble pour la République (Miaraka ho an'ny Repoblika) sady governora teo aloha tao amin'ny faritanin'i Katanga (any atsimo-atsinanan'ny firenena); Nahazo 5,33% kosa i Martin Fayulu avy amin'ny antoko Fandraisana Andraikitra ho an'ny maha Olom-pirenena sy ny Fampandrosoana (Ecidé); Adolphe Muzito , praiminisitra teo aloha (2008-2012) teo ambany fitarihan'i Joseph Kabila , filoha teo aloha (2001-2019) afa-po tamin'ny vato 1,12%. Denis Mukwege , nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana tamin'ny taona 2018 kosa nahazo latsaky ny 1% tao anatin'ny anjoria ara-politika voalohany nataony. Fandresena fantatra mialoha Talohan'ny fifidianana dia efa nisy fanadihadiana maromaro nametraka an'i Félix Tshisekedi ho mahery indrindra amin'ny fifidianana. Araka ny fitsapa-kevitra natao tamin'ny 16 Septambra ka hatramin'ny 20 Novambra 2023 nataon'ny GeoPoll , barometatra ara-tsosialy sy ara-politika miorina ao Etazonia, mihoatra ny 70% ny Kongoley vonona hanome fe-potoam-piasana faharoa ho an'i Tshisekedi. Namoaka ny valin'ny fitsapa-kevitra fahefatra nataon'ny GeoPoll tao amin'ny kaontiny X (ex-Twitter) ny fampahalalam-baovao The Voice of Congo : « L'intention de soutenir la candidature du Président Tshisekedi pour un second mandat ne cesse de se renforcer, avec 77 % des sondés exprimant leur volonté de voter en sa faveur. » pic.twitter.com/iddAjpnNrh — The Voice Of Congo (@VoiceOfCongo) December 19, 2023 “Mbola mihamafy hatrany ny fikasana hanohana ny firotsahan'ny filoha Tshisekedi ho amin'ny fe-potoam-piasana faharoa, ka ny 77% tamin'ireo namaly no naneho ny fahavononany hifidy azy. » Manamafy ny tarehimarika tamin'ny fitsapa-kevitra ny vokatra navoakan’ny Ceni, araka izany. Fandavan'ny mpanohitra tanteraka ny voka-pifidianana Saingy lavitra ny faneken'ny mpanohitra ireo vokatra ireo: tamin'ny 31 Desambra 2023, nanameloka ny fifidianana indray an'i Tshisekedi tao amin'ny kaontiny X ilay mpanohitra Martin Fayulu tamin'ny alàlan'ny hafatra an-dahatsary, ary manasa ny vahoaka Kongoley hanao hetsi-panoherana: Je rejette catégoriquement le simulacre d’élections et les résultats farfelus de la #CENI . Je demande au peuple congolais de protester contre ce nouveau coup d’Etat en application de l’article 64 de notre Constitution. pic.twitter.com/PHjlTyAw37 — Martin Fayulu (@MartinFayulu) December 31, 2023 Laviko marindrano ny saritsarim-pifidianana hosoka sy ny voka-pifidianana diso navoakan'ny #CENI . Mangataka ny vahoaka Kongoley aho mba hanohitra ity fanonganam-panjakana vaovao ity araka ny voalazan’ny andininy faha-64 ao amin’ny Lalàmpanorenantsika. Etsy ankilany, miantso ireo Kongoley tao amin'ny kaontiny X hanao diabe milamina i Moise Katumbi , mpanohitra mba hitaky ny hanaovana fifidianana tena marina: Après le simulacre d’élections organisé par la CENI, le peuple congolais a décidé – comme la Constitution lui en donne le droit – de se prendre en charge et de marcher pacifiquement pour exiger la tenue d’un vrai scrutin. Pour seule réponse, la population a rencontré les tirs et et la violence aveugle des forces de l’ordre. On dénombre plusieurs blessés. C’est inacceptable ! Je condamne énergiquement la répression dont les Kinois (les habitants de Kinshasa , capitale de la RDC) ont été victimes, parmi lesquels de nombreux partisans de #ECIDE , le parti-frère de @martinfayulu . Un point de non retour vient d’être franchi. Cette première marche sera suivie d’autres actions dans tout le pays. La tricherie, la fraude et le mensonge ne passeront pas. J’exprime ici ma compassion aux blessés et aux victimes de la dictature. Leur courage à défendre pacifiquement la liberté et la démocratie s’inscrit dans la ligne de nos héros. Tous ensemble nous sommes condamnés à reprendre en main notre destin. Un nouveau Congo est possible ! — Moise Katumbi (@moise_katumbi) December 27, 2023 Taorian'ny saritsarim-pifidianana nokarakarain'ny CENI, nanapa-kevitra ny vahoaka Kongoley – araka ny zo omen'ny Lalàmpanorenana azy – handray andraikitra sy hanao diabe am-pilaminana mba hitaky ny fisian'ny fifidianana madio. Valiny tokana no azo, notsenain'ny tifitra sy ny herisetra an-jambany nataon'ny mpitandro ny filaminana ny vahoaka . Marobe ireo naratra. Tsy azo ekena! Manameloka amin'ny heriko rehetra ny famoretana aho izay lasibatra tamin'izany ireo Kinois (mponina ao Kinshasa , renivohitr'i RDC) sy ireo mpanohana marobe ny #ECIDE , antoko rahalahin'i @martinfayulu . Tongotra mby an-dakana izao. Ho arahin'ny hetsika hafa manerana ny firenena ity diabe voalohany ity. Tsy ho tafita ny fisolokiana, ny hosoka ary ny lainga. Maneho ny fiarahamiory amin'ireo naratra sy ireo niharan'ny didy jadona aho. Mirakitra ao anatin'ny maherifontsika ny herim-pon'izy ireo hiaro am-pilaminana ny fahalalahana sy ny demaokrasia. Tsy maintsy handray an-tanana ny hoavintsika isika. Azo atao ny mametraka Congo vaovao! Manondro ny Andininy faha-64 amin'ny lalam-panorenana Kongoley ireo kandidà roa ireo izay milaza hoe: Tout Congolais a le devoir de faire échec à tout individu ou groupe d’individus qui prend le pouvoir par la force ou qui l’exerce en violation des dispositions de la présente Constitution Ny Kongoley rehetra dia manana adidy hanakana ny olona tsirairay na vondron'olona izay maka fahefana an-keriny na mampiasa izany amin'ny fanitsakitsahana ireo fepetra voalazan'ny Lalàmpanorenana Fifidianana feno tsy fahatomombanana Marina fa nahitana fanitsakitsahana maro ny zotram-pifidianana. Nanimba ny fanomanana ny fikarakarana ny fifidianana ny olana ara-pitaovana. Taraiky be ny fisokafan'ireo birao fandatsaham-bato sasany raha tsy nahitana fitaovam-pifidianana kosa ny hafa rehefa nisokatra ny birao. Nilaza tao amin'ny tatitra momba ny tapak'andron'ny 20 Desambra ny iraka mpanara-maso ny fifidianana napetraky ny fiangonana katolika sy protestanta, notononin'ny France24 fa: (…)31,37 % des bureaux de vote n’ont pas ouvert ce matin, 45,1 % ont connu le dysfonctionnement des Dispositifs électroniques de vote. Par ailleurs, 9,8 % de bureaux de vote ont été interdits d’accès aux observateurs et 7,84 % ont enregistré des actes de violence dont 5,88 % saccagés. (…)31,37%-n’ny birao fandatsaham-bato no tsy nisokatra androany maraina, 45,1% no niharan’ny tsy fahatomombanan’ny fitaovana elektronika fandatsaham-bato. Fanampin'izany, noraràna tsy hidiran'ny mpanara-maso ny 9,8%-n'ny biraom-pifidianana ary 7,84% no fantatra fa nahitana herisetra, ka voaroba ny 5,88%. Fanehoan-kevitra iraisampirenena Raha tsy mitovy hevitra amin'ny fahalanian'ny filoham-pirenena indray ny eo anivon'ny antoko pôlitika kongoley, manao totoafo kosa ny fiarahabana eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Nandefa hafatra fiarahabana tamin'ny 31 Desambra 2023 ny tany Afrika Afovoany, Evariste Ndayishimiye , filohan'i Burundi : Je félicite vivement mon Homologue et Frère S.E Félix Antoine Tshisekedi pour sa réélection à la tête de la #RDC suite à la publication des résultats provisoires. En cas d'eventuel contentieux électoral, je forme le vœu d’une résolution pacifique à travers les canaux légaux. pic.twitter.com/cIYH9WG9f1 — SE Evariste Ndayishimiye (@GeneralNeva) December 31, 2023 Miarahaba am-pitiavana ny mpiara-miasa amiko sy ny Rahalahy S.E Félix Antoine Tshisekedi aho tamin'ny naha-lany filohan'ny #RDC azy indray taorian'ny famoahana ny vokatra vonjimaika. Raha sanatria misy ny fifandirana ara-pifidianana, dia manantena ny hisian’ny famahana am-pilaminana amin’ny alalan’ny fantsona ara-dalàna aho. Manaraka azy i João Lourenço , filohan'i Angola . Raha ny voalazan’ity farany dia antoka amin’ny famerenana indray ny fandriampahalemana sy ny fitoniana eto amin’ny firenena sy any amin’ny faritra afovoan’i Afrika ny fifidianana indray an’i Tshisekedi. Nampitain'ny fampitam-baovao Le Potentiel tao amin'ny kaontiny X ny teniny: Selon João Lourenço, cette réélection va permettre le rétablissement de la paix et la stabilité au pays et dans la région. “Je suis certain que le renouvellement du leadership de Votre Excellence à la tête des destinées de la République Démocratique du Congo est une garantie que nous franchirons des étapes fondamentales vers le rétablissement de la Paix dans notre région, le renforcement de la coopération au sein de la SADC niveau et le renforcement continu des relations de coopération existantes entre nos deux pays», João Lourenço cité par l'agence de presse angolaise.” — Le Potentiel 🇨🇩 (@LePotentiel_rdc) January 2, 2024 Araka ny voalazan'i João Lourenço, hahatonga ny famerenana ny fandriampahalemana sy ny fitoniana eto amin'ny firenena sy ny faritra io fifidianana io. “Matoky aho fa ny fanavaozana ny fitarihana ny Filohan’ny Repoblika Demaokratikan’i Kongo dia antoka fa hanao dingana fototra mankany amin’ny famerenana indray ny Fandriampahalemana eto amin’ny faritra misy antsika, ny fanamafisana ny fiarahamiasa eo anivon’ny SADC ary ny fanamafisana hatrany ny fifandraisana ara-piarahamiasa misy eo amin'ny firenena roa tonta” isika, hoy i João Lourenço, araka ny voalazan'ny masoivohom-baovao Angoley. Any Afrika Andrefana, avy amin'i Faure Gnassingbé , filohan'i Togo ny hafatra fiarahabana an'i Tshisekedi. Nanoratra tao amin'ny kaontiny X izy hoe: Chaleureuses félicitations à mon frère et ami, Son Excellence Félix Tshisekedi Tshilombo, @Fatshi20 , à la suite de sa réélection à la magistrature suprême de la #RDC , suivant les résultats de la Commission électorale. Je suis convaincu que ce nouveau mandat nous offre l’opportunité de poursuivre le renforcement des liens historiques d’amitié, de fraternité et de coopération entre nos pays. Je forme pour le peuple frère du #Congo des vœux ardents de paix, de stabilité et de concorde. — Faure Essozimna GNASSINGBÉ (@FEGnassingbe) January 2, 2024 Arahabaina miketriketrika ny rahalahiko sady namako, Andriamatoa Félix Tshisekedi Tshilombo, @Fatshi20 , taorian'ny nahavoafidy azy indray ho eo amin'ny toerana faratampony ao #RDC , taorian'ny voka-pifidianan'ny Vaomieran'ny Fifidianana. Resy lahatra aho fa manome antsika fahafahana hanohy hanamafy orina ny fifandraisana mana-tantaran'ny fisakaizana, ny firahalahiana ary ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenentsika ity fe-potoam-piasana vaovao ity. Maneho firarian-tsoa aho mba hisian'ny fandriampahalemana, fitoniana ary firindrana ho an'ireo vahoakan'i #Congo . Tsy mahatonga hanadino ireo hafatra ireo fa ny tena mampanahy eo anivon'ny faritra dia ny famahana ny ady ao atsinanan'ny firenena izay ifanandrinan'ireo mpikomin'ny Hetsika 23 mars amin'ny Tafika mitam-piadian'ny RDC nanomboka tamin'ny taona 2012. Tsy azo isalasalana fa ny famerenana indray ny fandriampahalemana ao amin'ity faritra ity no iray amin'ireo laharam-pahamehan'ny fe-potoam-piasana vaovaon'i Tshisekedi.
https://mg.globalvoices.org/2024/01/07/167632/
Tontolon'ny media Senegaley: Ireo fampitam-baovao tsara arahina hahazoana vaovao ankatoky ny fifidianana filoham-pirenena? ​
2024-01-07T03:17:41
Unknown
Guy Marius Sagna (ankavanana), solombavambahoaka Senegaly mpanohitra, pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Tv5monde Firenena stratejika ao Afrika Andrefana, mijanona ho maodely amin'ny demokrasia any Afrika i Senegaly hatramin'ny nahazoany fahaleovantenany tamin'i Frantsa tamin'ny 4 Aprily 1960. Satria manomana fifidianana filoham-pirenena ny firenena amin'ny fiandohan'ny taona 2024, dia miha-mana-danja kokoa ny andraikitry ny fampitam-baovao. Mampiseho endrika tena manankarena sy marolafy ny tontolon'ny media Senegaley. Avy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra toy ny fahitalavitra, radio, ary ny gazety an-tsoratra ka hatramin'ny fampitam-baovao maoderina, toy ny gazety anjotra, gazetiboky an-tranonkala, ary tambajotra sosialy, izany hoe amin'ny fitaovam-pifandraisana isan-karazany no ahafahana mitondra vaovao ho an'ny besinimaro atolotra ny fiarahamonina Senegaley. Mametraka ny teny frantsay ho fiteny ofisialy ny lalàmpanorenan'i Senegaly saingy vitsy an'isa ny Senegaley mampiasa io fiteny io, izany hoe 26% araka ny tarehimarika avy amin'ny Fikambanana Frankôfônia Iraisampirenena (OIF) tamin'ny taona 2022. Teny enina no noraisin'ny firenena tamin'ny fomba ofisialy dia ny wolof ( 90%n'ny mponina no mampiasa zy), ny sérère , ny peul , ny mandingue , ny soninké , ary ny diola .. Vokatr'izany, ny ankamaroan'ny vaovao ampitain'ny media dia amin'ny teny Wolof. Araka ny fanadihadiana nataon'ny Filan-kevitra Nasionaly manaramaso ny haino vaky jery – Conseil national de régulation de l’audiovisuel (CNRA) tamin'ny taona 2018, ny Wolof no hita fa fiteny be mpampiasa indrindra amin'ny fampielezam-peo sy sary (64,71% amin'ny fandaharana dia amin'ny teny Wolof ary 35,29% amin'ny teny frantsay). Volana vitsivitsy mialoha ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 25 febroary 2024 ho avy izao, manan-danja kokoa ny vaovao nasionaly sy any amin'ny faritra. Mediam-pirenena Araka ny filazan'ny Reporters sans frontières (RSF), manolotra sehatra ho an'ny fahalalahana maneho hevitra ny firenena, saingy tsy azo lazaina ny hoe tena fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Tamin'ny laharana taona 2023 navoakan'ny fikambanana mpikatroka ho amin'ny asa fanaovan-gazety malalaka sy mahaleotena, fa laharana faha-104 amin'ny firenena 180 ny firenen'i Macky Sall , filoha hatramin'ny taona 2012. Mampiseho fihemorana goavana ity tarehimarika ity raha oharina amin'ny laharana tamin'ny taona 2022 izay mametraka an'i Senegaly ho laharana faha-73. Fantsona fahitalavitra roapolo eo ho eo, onjam-peo tsy miankina na onjam-peom-piarahamonina an-jatony eo ho eo ary gazety an-tsoratra maromaro sy gazety an-jotra maromaro no misahana mponina maherin'ny 17 tapitrisa . Ny vondrona Radiodiffusion télévision sénégalaise (RTS) no sampan-draharaham-panjakana voalohany tompon'ny fantsona ho an'ny daholobe. Ao anatin'izany ny RTS1 sy RTS2 ; ireo radiom-pirenena sy radiom-paritra ahafahan'ny vondrona mandrakotra ny faritry ny firenena manontolo. Ampitaina amin'ny teny Wolof sy Frantsay ny vaovao amin'ireo fampahalalam-baovao ireo. Ankoatra ny sampana fampahalalam-baovao ho an'ny daholobe, manana sampana fampahalalam-baovao tsy miankina i Senegaly, ny tena manan-danja amin'ireo dia: Diaspora24tv , Walf TV , Télé Futur Media (TFM), Sen TV , 2STV Sénégal . Ny Agence de presse sénégalaise (APS) no sampana fampahalalam-baovao nasionaly ao amin'ny firenena. Mitana toerana nofinidy eo amin'ny governemanta sy ny vahoaka izy io, ary manao ampihimamba amin'ny fanapariaham-baovaon'ny firenena eo amin'ireo masoivohom-gazety vahiny any Senegaly. Ho an'ny asa gazety an-tsoratra, ny gazety an-taratasy toy ny Enquête plus , La Dépêche diplomatique , L'Observateur , Le Quotidien , Le Sud Quotidien no tena be misongadina ao amin'ny firenena ary mametraka ny vaovaom-pirenena amin'ny ankapobeny ho laharam-pahamehana. Ao amin'ny tontolon'ny fandraharahana, manokana ny tsanganany ho an'ny vaovaon'ny tontolo ara-toekarena sy ny vola ny Réussir Business . Mikasika ny sehatry ny asa fanaovan-gazety an-jotra sy ny tranonkala, ny tranonkala Seneweb , Pressafrik , Dakaractu , Seneplus , Senego , Senenews , Dakarmatin no hita fa be mpanaraka indrindra ary tsy mitsahatra mandefa vaovao sosialy sy politika ao Senegaly. Miompana manokana amin'ny vaovao nomerika ny tranokala Osiris.sn , amin'ny lafiny iray. Manolotra vaovao momba ny isan'ny mpampiasa aterineto, ny tahan'ny fidirana aterineto, ny isan'ny mpampiasa finday ary ny isan'ny mpampiasa media sosialy ao Senegaly ny sehatra misy azy. Raha jerena ny halehiben'ny trangam-pifindra-monina , manan-danja amin'ny adihevitra sy fandaharana mialoha ny fifidianana io lohahevitra io. Ny tatitra momba ny fanarahamaso ny fikirakiran'ny fampahalalam-baovao ny fifindra-monina tamin'ny taona 2020 sy 2021 no ahafahantsika manombatombana ny maha-zava-dehibe ny fampitam-baovao Senegaley momba ity raharaha ity. Ao amin'ny aterineto Tamin'ny volana Janoary 2023, Senegaley 10 tapitrisa no mampiasa aterineto raha toa ka 58,1% ny taham-pidirana. Ny vidin'ny aterineto isaky ny gigabyte dia 1,53 dolara Amerikana , izay mahatonga azy ho mora kokoa raha oharina amin'ireo firenen-kafa tahaka an'i Côte d'Ivoire (3,06 dolara Amerikana) na Togo (12,94 dolara Amerikana). 64.223 F CFA (na 106,81 dolara Amerikana) anefa ny vola miditra isam-bolana (karama) ankapobeny any Senegaly . Azo jerena ao amin'ny tambajotra sosialy ihany koa ny vaovaon'i Senegaly. Mampiantrano sehatra fifanakalozan-dresaka isan-karazany toy ny ao amin'ny X (Twitter taloha) amin'ny alàlan'ny fihaonambe antsoina hoe “spaces” ireo mpisehatra amin'ny fiainana ara-tsosialy sy ara-politika Senegaley . Maneho hevitra matetika momba ny vaovao i Guy Marius Sagna , solombavambahoaka mpanohitra sady mpanorina ny fikambanana “Frapp – France Dégage” sy i Pape Alé Niang , mpanao gazety miasa ao Dakarmatin manana mpanaraka maherin'ny 180.000 ao amin'ny X. Torak'izany, manome topimaso manerantany momba ny fivoaran'ny raharaha ao amin'ny firenena i Macky Sall izay manana mpanaraka 2,5 tapitrisa ao amin'ny tambajotra X, amin'ny alalan'ny famoahany vaovao. Misy ihany koa ireo vondrona Facebook izay ivondronan'ireo mpikatroka Senegaley marobe mandray andraikitra. Nitarika fivoarana haingana amin'ny fandefasam-baovao ny fahatongavan'ireo media vaovao, ary tsy maningana i Sénégal. Mahatonga ny fanindrahindram-baovao nasionaly (kokoa) ny fanjakazakan'ny teny Wolof amin'ireo fiteny ampiasaina ao amin'ny firenena. Sabatra roa lela io fomba fanao io satria mamela ny Senegaley hifehy ny fampahalalam-baovaom-pirenena, nefa koa manaisotra ny fahafahan'ny mponina avy amin'ny firenen-kafa ao amin'ny faritra tsy hanaraka ny adihevitra sy ny fandaharana amin'ny alalan'ny fantsona Senegaly, araka ny hazavaina ato amin’ity boky ity . Fandrakofana iraisampirenena Any ivelan'ny firenena, fampahalalam-baovao iraisam-pirenena maromaro ihany koa no mitantara ny vaovao Senegaly amin'ny teny anglisy sy frantsay: ny West Africa Democracy Radio (WADR) any Dakar, BBC Afrique , Africanews , New World any Togo, ny gazety Jeune Afrique , ny gazetiboky Afriquexxi , Le Monde , Le Figaro , ireo fahitalavitra France24 , Tv5monde Afrique , Euronews , Deutsche Welle , ireo onjam-peo Voice of America (VOA), sy Radio France internationale (RFI). Hahaliana indrindra izay hitranga ao amin'ny fampahalalam-baovao Senegaly amin'ny volana Janoary sy Febroary satria rehefa ankatoky ny fifidianana, mihabetsaka ny adihevitra ara-politika sy ara-tsosialy ary manome ohatra ny amin'ny fahaveloman'ity firenena ity izay manana anjara toerana lehibe ao amin'ny faritra.
https://mg.globalvoices.org/2024/01/02/167455/
Sisintany Nomerika: Manararaotra ny teknôlôjia avo lenta mba hanovàna ireo fitondrantena sôsialy manerana ny kaontinanta
2024-01-02T12:44:32
Unknown
Hetsika iray anjorony momba ny fampitàna ny ambana,  CPHIA 2023 niarahana tamin'ny Dr. Jean Kaseya, Tale Jeneralin'ny (ivontoerana) ao Afrika misahana ny Fanarahamaso sy Fisorohana ny Aretina ( Africa CDC) , sy ny Prof Margaret Gyapong, mpiara-mitantana ny CPHIA 2023 (ankavian'ny Dr. Kaseya), ary i Hon. Sylvia Masebo, minisitry ny fahasalamàna ao Zambia (ankavanan'ny Dr. Kaseya). Saripika an'i Cecelia Maundu, fampiasàna nahazoana alàlana. Ao anatin'ny tontolo iray vao mainka miha-mifandray betsaka kokoa, tsy azo lavina ny lanjan'ny teknôlôjia ho entina mitondra fiovàna miabo amin'ny fitondrantena sôsialy manerana ny tany. Afrika, na dia tratra aoriana tamin'ny fidirana tamin'ny nomerika aza , dia nahitàna taham-pidirana nalaky be tamin'ny sehatry ny teknôlôjia. Ny angondrakitra vao haingana momba ny fidirana amin'ny aterineto sy ny kaonferansa iray nifantoka tamin'ireo zavabita sy ny fanavaozana ny sehatry ny fahasalamana ho an'ny daholobe dia manasongadina ny lanja mavesatry ny teknôlôjia ao amin'ilay tanibe . Ny Kaonferansa Erantany andiany faha-3 momba ny fahasalamam-bahoaka ao Afrika (CPHIA 2023), dia natao tao Lusaka , Zambia ary nafantoka tamin'ny fanomànana ireo vondrom-piarahamonina manoloana izay valanaretina hoavy, miaraka amin'ny firotsahana an-tsehatry ny vondrom-piarahamonina sy ny rafitra fanovàna ny fitondrantena sôsialy. Ny fiampitàna ny sisintany nomerika dia mampiseho ny endriny marolafy, mitety sehatra isankarazany sy misy fiantraikany tamin'ny fomba maro t amin'ireo fiovàna fitondrantena. Ny tanjaky ny Artificial Intelligence (AI) amin'ny fiovàn'ny fitondrantena sôsialy Nipoitra ho toy ny hery goavana ny Artificial intelligence (AI) tamin'ny fandrafetana ny toetsaina sy fitondrantena ara-piarahamonina. Amin'ny fitrandrahana ireo algoritman'ny milina fianarana, azon'ny AI atao ny mamakafaka angondrakitra midadasika, mamantatra lamina sy manombana ireo fironana amin'ny hoavy. Porofoin'io fahaizamanao io ny hasarobidy manokan'ny fahalalana ny olombelona sy ny fampifanarahana ireo firotsahana an-tsehatra mba hisiana fiovàna miabo. Mba hananany fahalalana momba ny fitondrantenan'ny olona, haminavinàna ny fironana ary handrafetana firotsahana an-tsehatra mikendry lasibatra voafaritra mialoha, dia mampiasa tsikelikely ny AI ireo fikambanana sy hetsika. Tao amin'ilay kaonferansa CPHIA 2023, noderain'ny Africa Centre for Disease Control and Prevention ( Africa CDC) ny fahombiazan'ireo hetsika atosiky ny AI, miharihary any anatin'ny fanarahamaso eo noho eo mahomby amin'ny fanarahamaso ireo areti-mifindra. Nitàna anjara toerana lehibe ireny fandraisana andraikitra ireny tamin'ny fitarihan-dàlana ireo firotsahana an-tsehatra sy tamin'ny fanangànana fahaizamanao tanaty fomba fijery Big Data ho an'ny faminavinàna, fandalinana ary fisorohana. Indrindra indrindra, nandritra ny valanaretina COVID-19 , ireo rafitra fanarahamaso dia voarindra hihetsika tamin'ny fomba mangarahara, na dia tany amin'ireo tany lavitra aza , mampiseho ny fahazai-mifanaraka sy ny fiantraikan'ireny teknôlôjia revôlisiônera ireny. “Mety tena hanampy antsika ny AI mba ho lasa kinga kokoa ary hamakafaka haingana kokoa ireny angondrakitra ireny hahafahantsika mandrindra ny firotsahantsika an-tsehatra,” hoy i Sylvia Masebo, minisitry ny fahasalamàna ao amin'ny Repoblikan'i Zambia. Ny media sôsialy ho toy ny fanoitram-piovàna Nanome sehatra navitrika ho fampiroboroboana ny fiovana fitondrantena ny dindon'ny media sôsialy izay saika hita eny rehetra eny.  Ny fahafahana miampita sisintany jeôgrafika dia ananan'ireo fanentanana sy hetsika izay nitrandraka ny fahafahana manatratra sy mampandray anjara ireo sehatra toy ny Facebook, X ( Twitter fahiny), ary ny Instagram. Ny media sôsialy dia ahafahana mampiely malaky ireo torohay, ny fanetsehana vondrom-piarahamonina ary ny fanelezana ny feo mba hisian'ny fiovàna mankany amin'ny tsara eny anivon'ny fiarahamonina. “Iarahanay miasa ireo rafitra ara-pahasalamana efa amperiny mba hizaràna torohay amin'ny alàlan'ny fampiasàna ny media sôsialy,  fa hitohy hiroso izahay, tsy hoe fotsiny hizaràna torohay, fa koa hanarahana maso ny zavatra mitranga eny anaty media sôsialy.  Araka izany dia mampihatra ny fihainoana ny media sôsialy izahay ary mampiasa ireo apps toy ny CrowdTangle mba hanarahana maso ireo resaka eny anaty media sôsialy,” hoy ny Dr Jean Kaseya, tale jeneralin'ny Africa CDC. Mihoatra noho ny fanentanana, fitaovana tena manandanja be  ireo sehatry ny media sôsialy, ahafahan'ireo mpikatroka mampiely ny feon-dry zareo sy mifandray amin'izao tontolo izao. Amin'ny fampiasàna ireo sehatra toy ny X , mikarakara hetsipanoherana ireo mpikatroka, araka ny ohatra nasehon'ireo hetsipanoherana 2019 tany Hong Kong niaraka tamin'ny tenifototra #antiELAB nanaovana ny fandrindràna teo noho eo. Ireo ezaka fikajiana ny tontolo iainana, araka izay hita iarahana amin'ny Extinction Rebellion , dia mitrandraka ny X sy ny Facebook mba hanetsehana an'izao tontolo izao. Ny adisisika ho an'ny zon'olombelona, araka ny ohatra hita tamin'ny hetsika #BlackLivesMatter ary ny fiantraikan'ny nampiasàny ilay tenifototra , dia mitatra mankany amin'ireo sehatra toy ny X sy ny Instagram , toerana ifampizaràn'ireo mpikatroka ny sary sy tantara, niteraka adihevitra erantany momba ny tsy rariny ara-tsôsialy . Io hery itambarana io no ahafahan'ireny hetsika ireny miatrika ireo sakana nahazatra sy mitondra fiovàna miabo eny anaty fiarahamonina manerana izao tontolo izao. Ilay endriny eo noho eo ananan'ny media sôsialy dia manamora ny fanelezana haingana ireo torohay, mitondra mankamina fiovàna fitondrantena lehibe ho setrin'ireo fanentanana ara-tsôsialy ikendrena vondrona manokana. Famakafakàna angondrakitra hitondra amin'ny fandraisana fanapahankevitra mazava Ny famakafakàna angondrakitra dia toy ny hazondamosina ho an'ny fandraisana fanapahankevitra miainga avy amina porofo any anatin'ireo hetsika fanovàna fitondrantena. Amin'ny famakafakàna ireo antontan'angondrakitra midadasika, mahazo torohay sarobidy momba izay mampahomby ny firotsahana an-tsehatra ireo fikambanana, ahafahan-dry zareo mandamina tsara ny tetikadiny sy mitrandraka araka ny tokony ho izy ny fiantraikany. Ny fampidirana ny famakafakàna angondrakitra dia miantoka hoe tsara kendry ireo hetsika atao, azo refesina ary afaka ampivadiana amin'ny fihetsehana mivoatran'ny fitondrantena ara-tsôsialy. “Ny teknôlôjia no mameno ny banga amin'ny resaka fahafahana miditra mahazo ireo tolotra ara-pahasalamana. Ny Digital Disease Surveillance , izay ny Africa CDC no nitarika azy tany amina firenena enina, dia mamokatra tondro fanarahamaso nomerika sy fàfana hijerena ireo aretina, mifototra amin'ireo media sôsialy sy ireo lohamilina, mba hanazavàna ireo fanarahamaso ny areti-mifindra ao amin'ilay tanibe,” hoy i Masebo. Any anatin'ireo hetsika ho an'ny fiovàna fitondrantena anatin'ny sehatry ny fahasalamàna, fampianarana, tontolo iainana, rariny ara-tsôsialy sy ny toekarena, dia andry lehibe ho an'ny fandraisana fanahapankevitra miainga avy amina porofo ny famakafakàna angondrakitra. Ny Khan Academy dia manatsara ny traikefan-dry zareo amin'ny alàlan'ny famakafakàna, raha ny tetikasa Climate Change in the American Mind kosa indray manombana ireo fihetsiky ny olona manoloana ny fanentanana atao momba ny tontolo iainana. Ampiasain'ny Center for Policing Equity ireo famakafakàna mba handalinany ireo lasitra fanavakavahana any anatin'ny rariny araa-tsôsialy, ary ny hetsika Global Findex ataon'ny Banky Iraisampirenena dia mampiasa ny famakafakàna angondrakitra hanaovany ireo firotsahana an-tsehatra hampiroboroboana ny fomba fampiasambola tomponandraikitra sy ny fampiatiana ara-bola manerana izao tontolo izao. Ity fomba fiasa marolafy ity dia manasongadina hoe hatraiza no ahafahan'ny famakafakàna manampy ireo fikambanana mba hitondra fiovàna miabo eny anaty fiarahamonina, amin'ny sehatra isankarazany. Milomano anaty tontolon'ny etika Ireo adihevitra tamin'ny kaonferansa CPHIA 2023 dia manasongadina ny lanjan'ny filomanosana ao anatin'ny tontolon'ny etika raha mitohy kosa mitàna anjara toerana fototra amin'ny fandrafetana fitondrantena ara-piarahamonina ny teknôlôjia. Ny fiheverana ara-etika, ao anatin'izany ny fiainana manokana, ny fiantohana ny mangarahara sy ny fiarovana ny angondrakitra, dia tena zava-dehibe mba hahazoana antoka fa hitondra fiovàna miabo eny amin'ny fiarahamoniuna ireo firotsahana an-tsehatra mampiasa ny teknôlôjia, tsy hisy vokadratsy tsy ampoizina. Nohazavain'ny Dr. Kaseya : …Fa mazava ho azy, tafiditra amin'izany izay rehetra tokony ho tafiditra amin'ny fahatakarana ny fitambaran'ireo olana momba ny fiainana manokana, ny maha-tsiambaratelo ny angondrakitra sy ny fiarovana manodidina azy ireny ary ny fomba ikarakarantsika azy. Ary avy eo dia tsy misy afa-tsy ny mamantatra fa na misy aza ireo tombontsoa amin'ny fitrandrahana io indostria io ho an'ny AI, tsy mbola manana foana isika, na manana fa rafi-pifehezana voafetra mifehy izay fomba azo ampiasàna ny AI. Ary, araka izany, noho ny tsy fisian'ireny karazana fepetra fifehezana ireny, ilaintsika ny mitandrina manoloana izay fomba hampidirantsika azy ireny. Arakaraky any itrandrahantsika ny sisintany nomerika ananan'ny AI, ireo media sôsialy, ny famakafakàna ny angondrakitra ary ny aterineton'ireo kasinga, dia lasa mibaribary fa ireny teknôlôjia ireny, rehefa ampiasaina amin'ny fomba maha-tomponandraikitra, dia afaka mitondra fiovàna miabo eo amin'ny sehatra erantany. Ny firotsahana an-tsehatra ataon'ireo governemanta afrikàna, ireo fikambanana iraisampirenena ary ireo mpiara-mitan-tsoroka mba hanatsara ny vokatra amin'ny resaka fahasalamana, dia maneho hoavy iray mahavelom-bolo ahitàna taratra fa ny teknôlôjia dia hery iray mitondra fiovàna miabo eo amin'ny fiarahamonina.
https://mg.globalvoices.org/2024/01/04/167624/
Ny haify tôgôley omem-boninahitra ao Togo sy Afrika
2024-01-04T06:34:39
Unknown
Lovia iray feno foufou, pikantsary avy amin'ny kaonty YouTube “Noelia's Cooking” Ny fahasamihafàna ara-poko ao amin'ilay firenena dia manome an'i Togo ny fahamaroana haify tena manankarena, izay hatry ny ela no natao an-jorom-bàla nanomezana vàhana ny hainahandro tandrefana. Saingy ankehitriny, vitan'ireo manampahefana tôgôley ny nahatakatra ny lanjan'ny fampiroboroboana ireo vokatra sy haify avy eo an-toerana. Mizara ho faritra dimy goavana ny Repoblikan'i Togo , ao amin'ny morontsiraka andrefan'i Afrika : ireo faritra tany lemaka (tendrony avaratry ny firenena), ny faritra kar a (ao avaratra), ny faritra afovoany (afovoan'i Togo), ireo faritry ny lembalemba (ao afovoany atsimo), ary ny faritra an-dranomasina (ao atsimo). Manome fahasamihafàna ara-toetrandro io, ary noho izany dia fahasamihafàna ara-pambolena izay manazava ireo fombandrazana ara-tsakafo samihafa. Manodidina ny dimampolo ireo vondrom-poko monina ao Togo, ahitàna ny Éwés (22 %), ny Ouatchis (10 %), ny Guins izay samy any atsimon'ny firenena; ny Tem , ny Kasselems ao afovoany; ny Kabiyès (13 %) eo anelanelan'ny afovoany sy ny avaratra, ny Batammaribas , ary ry zareo Moba - Gurmas any amin'ny faritra avaratry ny firenena. Samy manana ny maha-izy azy avy ireo foko tsirairay raha resaka haify tena ankafizina any amin'ny faritra misy azy avy, nefa tsy dia fantatra any amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena. Io no nanosika ireo fiarahamonina sivily hanao hetsika ka tanjona amin'izany ny hampahafantatra amin'ny vahoaka tôgôley manontolo ireny haify ao an-toerana ireny. Ohatra amin'izany ny an'ny Organisation  pour l’alimentation et le développement local (OADEL)  izay niditra tamin'ny fampiroboroboana sy fanomezana lanja ireo haify tôgôley amin'ny alàlan'ireo hetsika ” campagne alimenterre ” nataony nanomboka tamin'ny 2005 tao Togo. Tamin'ny alàlan'ireo hetsika maro hafa toy ny ” foire alimenterre “, dia sintonin'ilay fikambanana ny saina mba ho any amin'ny maha-zavadehibe ny fanjifàna ireo vokatra voajanahary avy eo an-toerana, ny tokony hanànana fomba fisakafoanana ara-pahasalamana, ary ny lanjan'ny fambolena eo an-toerana. Ity lahatsary ity dia manome topimaso amin'ilay andiany tamin'ny 2016: Mba hamarotana tsara ireo hevitra sy foto-kevitra avy aminy, ny fikambanana Oadel dia mandray anjara koa amin'ny fanamafisana ny fahaizamanaon'ireo sefo an-dakozia ao Togo. Ohatra amin'izany, tamin'ny 2018, sefo an-dakozia niisa 64 no nofaniny ho amin'ny fampiroboroboana ny fanjifàna ireo haify avy ao an-toerana. Ankehitriny i Togo dia manana trano fisakafoanana maro voatokana, izay manolotra fotsiny ireo haify tôgôley. Ny trano fisakafoanana Togonou ao Lomé no iray amin'ireny toerana ireny izay vokatra tena tôgôley no aroso ao. Nanomboka tamin'ny 2020, ny governemanta koa dia niditra tamin'ny fampiroboroboana sy fanomezana lanja ireo vokatra tôgôley, tamin'ny nanaovany ny andiany voalohany amin'ilay antsoina hoe “iray volan'ny fanjifana ny avy eto an-toerana” mba hanosehana ny haren'ny haify avy amin'ilay firenena. Nanomboka teo, atao isantaona io hetsika io rehefa volana Oktôbra. Hazavain'i Rtoa Victoire Dogbe , praiminisitr'i Togo, ny vinan'ny governemanta tamin'ny nanaovana io “volan'ny fanjifàna ny avy ao an-toerana” io: Anisan'ireo sakafo marobe mila fantarina ao Togo: ny akoumè (paty) izay fahaizana manokan-dry zareo avy ao atsimo, namboarina avy amin'ny vovo-katsaka na ampemba, saingy miparitaka manerana ny firenena; ny atassi, watché na ayimolou , fahaizana manokan'ny faritra afovoany izay karakaraina amina fampifangaroana vary sy tsaramaso; ireo sakafo toy ny foufou vita avy amin'ny oviala na mangahazo (fahaizana manokan'ny ao an-tanànan'i Kpalimé avaratra-andrefan'i Lomé); ny djinkoumè (paty mena), ny wassa-wassa natao avy amin'ny vovoka oviala (tena ankafizin'ny faritra afovoany), ny yaka-okin na couscous nentindrazana (nipoitra avy ao amin'ny tanànan'i Aného atsimo-atsinanan'i Togo) – ireo rehetra ireo dia isan'ny sakafo mampiavaka manokana an-dry zareo tôgôley. Ity ny lahatsary mampiseho ny fomba fikarakaràna foufou : Asehon'ny Moulaga TV ao amin'ny YouTube ao anatin'ity lahatsary ity ireo mitàna toerana 10 voalohany amin'ny sakafo sy saosy fanao amin'ny haify tôgôley: Ety amin'ny tranonkala, misy vitsivitsy ireo mpampiasa no miditra amin'ny fanomezana lanja ireo sakafo tôgôley ary mampiseho ireo dingana mankany amin'ny fomba fikarakaràna ireny sakafo ireny. Ny Noelia's Cooking no kaonty YouTube an'ny vehivavy iray mpampiasa aterineto mampahafantatra ny hainahandro tôgôley amin'ny alàlan'ny fanehoana ireo fangaro ilaina ao an-tokantrano hikarakaràna ireo sakafo avy ao Togo. Asehony eto ny fikarakaràna ny saosy adémè (amin'ny fiteny éwé ) na corète potagère (ho an'ny frantsay). Eny tokoa, ny adémè na corète potagère dia anatin'ny fianakavian'ireo legioma tena hanina be mihitsy, tsy ao Togo ihany, fa koa any amin'ireo firenena hafa ao Afrika andrefana. Ity lahatsary ity no manazava ny fomba fikarakaràna ny wassa-wassa : Ny saosy azeou na esrou , ankafizina fatratra any amin'ireo faritra ao avaratry ny firenena noho ireo zavatsoa natoraly antibiôtika entiny. Io saosy io dia mitondra vokatsoa toy izay hita amin'ny saosy sakamalaho . Ireo fomba fikarakaràna roa ireo dia mazàna no atoro an'ireo vehivavy mandalo ny vanim-potoana maha-reny. Any amin'ny faritra andrefan'i Afrika, ny hainahandro tôgôley dia tena ankafizin'ireo vahiny tonga avy any amin'ny firenena hafa ao amin'ilay tanibe sy manerana izao tontolo izao. Io no manazava ny fahombiazana be tamin'ny fiondrànan'io hainahandro io: Ilay vehivavy tôgôley, Olivia de Souza , sefo an-dakozia, dia nanokatra trano fisakafoanana marobe any amina tanàndehibe maro ao amin'ny tanibe, ka any izy dia mampianatra ny taokanton'ny fahaizana mahandro. Raha ny momba an'i Olivia de Souza, Jean-Paul Agboh Ahouélété , mpampiroborobo ny Festival international la marmite (FESMA), hetsika iray ho fampiroboroboana ny haify anfrikàna, no mijoro ho vavolombelona: Endrika hita vatan'ny sakafo afrikàna i Olivia de Souza, amin'ny alàlan'ireo fangaro ampiasainy sy ny sakafo ketrehany. Izy ireny dia mifanaraka amin'ny fahazàrana vaovao eo amin'ny fomba fisakafoanana sy ny fanomezana lanja ny vokatra avy eo an-toerana(…)
https://mg.globalvoices.org/2023/12/25/167200/
Tsy mitovy ny hevitr'ireo manampahaizana mikasika ny fiantraikan'ny fidiran'i Afrika ho mpikambana amin'ny G20
2023-12-25T03:00:17
Unknown
Mpikambana sasantsasany amin'ny G20 tonga tamin'ny fihaonambe G20 tany New Delhi, tany India. Sary an'ny GovernmentZA tao amin'ny Flickr (CC BY-ND 4.0 DEED) Ny Sabotsy 9 Septambra, teo ambany fitondran'i India, dia nambaran’ ny G20 ny fanapahankeviny handray ny Firaisambe Afrikana (UA) ho mpikambana maharitra vaovao. Araka ny nasongadin'i Amrita Chima, Lehiben'ny biraon'ny DW News any Delhi, dia nitarika ity hetsika ity i India mba hanatsarana ny fisoloantena, miaraka amin'ireo firenena G20 rehetra nanohana tsy nisy nitsipaka an'ilay fanapahankevitra, satria notsipihan'izy ireo ny maha-zava-dehibe ny tonga dia hahitàna indray mandeha ny toekarena vao misondrotra sy efa miorina ao anivon'ny G20. Manova ny G20 ho “G20 miampy iray” ny fampidirana ny AU, ary firenena 55 no manohana ny fandraisana azy ho mpikambana. Ny filohan'ny UA, Azali Assoumani, dia naneho ny fahafahampony tamin'ny fankatoavana ny fidiran'ny UA ao anivon'ny G20 . Notsipihan'i Assoumani fa ny fampiatiana ny UA ao dia hanamafy ny feon'ny maro an'isa erantany ao anivon'ny G20, manome hirika, araka izany, ho an'ny tanibe afrikàna mba hampandrosoana ny fandaharanasany eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Tamin'ny fanekena ny fanamby anatiny ao Afrika, noantitranteriny ny maha zava-dehibe ny fahamaroana lafy sy ny fiaraha-miasa amin'ireo firenena G20 hafa mba hamahàna ireny olana ireny. Ny G20, na Vondrona 20, dia sehatra iray iraisana governemanta maro misolo tena ireo toekarena  tena manankarena indrindra eran-tany. Tany ampiandohana, dia firenena 19 manana ny fiandrianany sy ny Vondrona Eoropeana (UE) no nandrafitra ilay vondrona. I Afrika Atsimo irery no firenena Afrikana mpikambana vaovao vao haingana ao amin'ity vondrona ity. Ny Vondrona Afrikana misy mpikambana 55 dia afaka milaza fa manana harin-karena 3 000 miliara dolara sy mponina manodidina ny 1,4 lavitrisa. Tao anatin'ity lahatsoratra eo amin'ny AP News ity, Ebba Kalondo, mpitondra tenin'ny filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana dia nanasongadina fa nandritra ny fito taona mahery ny UA no nanao adisisika tsy nitsahatra ho an'ilay fidirana ho mpikambana feno. Tamin'ny volana Jona tamin'ity taona ity, dia nanoratra ho an'ireo mpitarika ny G20 ny Praiminisitra Indiana, Narendra Modi, nanosoka hevitra ny amin'ny mahamety ny hankatoavana ny maha-mpikambana ho an'ny Vondrona Afrikana mandritra ny Fihaonambe an-tampony amin'ny volana Septambra. Ho setrin'ity vaovao lehibe ity, ny Dr Ayoade Olatunbosun-Alakija , tao anaty tafatafa nifanaovany tamin'ny DD India (fantsona fampitam-baovaom-panjakana Indiana), dia nilaza ny fihetseham-pony lalina sy ny fanantenany noho ny fampidirana an'i Afrika ao anatin'ny jeopolitika maneran-tany ary nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny famakiana ny fahanginana sy ny fampitana ny feon'ny Afrikana ho eo amin'ny laharana voalohany. Nohamafisiny fa : “Misy fiovàna mihovitrovitraa mitranga anaty jeopolitika maneran-tany.” Raha Afrikàna marobe no  nankalaza ity fanapahankevitry ny G20 ity ho toy ny hirika iray hahafahan'i Afrika manamafy ny dindony dia tsy mitovy ny hevitr'ireo manampahaizana mikasika ny tena ho fiantraikany. Ny sasany manantena fitomboana ara-toekarena sy fiarahamiasa mahomby, raha toa kosa ny hafa maneho ny fisalasalany, mametra-panontaniana amin'ny fahombiazan'ny UA sy ny fahafahan'ny G20 hiatrika ireo fanamby tokamiavaka ao Afrika. Araka ny tatitry ny VOA , mino ny manampahaizana sasany fa ny fidirany ao amin'ny G20 dia hanome an'i Afrika fahafahana hitombo ara-toekarena, fampiasambola sy fiarahamiasa amin'ireo toekarena lehibe hafa. Na izany aza anefa, misalasala ny hafa, mihevitra ny toeran'ny UA ho sahala amin'ny marika famantarana fotsiny fa tsy tena misy lanjany. Milaza izy ireo fa ny G20 dia tsy manana fahafahana hiatrika amim-pahombiazana ireo fanamby vao haingana izay manakana ny fandrosoan'ny demokrasia ao Afrika, toy ireo fanonganam-panjakana ataon'ny tafika sy ny fifidianana tsy ara-dalàna, ary mino fa ny fidiran'ny UA ho mpikambana ao  dia natosiky ny fifandrafiana ara-jeopolitika fotsiny. Tao anaty tafatafa iray nataony ho an'ny CGTN Africa , ny Dr Sizo Nkala, avy amin'ny Centre for Africa China Studies ao amin'ny Ajerimanontolon'i Johannesburg, dia nizara ny heviny mikasika ny mety ho fiantraikan'ny firafitry ny UA amin'ny ho fahombiazany ao anatin'ny G20. Ho an'i Dr. Sizo, ny fanamby fototra amin'ny fidiran'i Afrika amin'ny G20 dia ny toetra maha-fikambanana governemanta maromaro ny UA, mifanipaka amin'ireo fikambanana mihoatra lavitra noho ny maha-firenena, toy ny Vondrona Eoropeana. Ny tombontsoa isan-karazany ananan'ireo Firenena Afrikana mpikambana, manomboka amin'ireo firenena lehibe toa an'i Nizeria ka hatrany amin'ireo firenena madinika kokoa toa an'i Eswatini (Swaziland), dia manasarotra ny fananganana marimaritra iraisana mikasika ny resaka G20. Nitanisa ohatra maro izy, tahàka ny fifandirana eo amin'i Rosia sy Okraina, ny fiovana toetrandro sy ny fifandirana isam-paritra izay manahirana mafy tokoa an'ireo firenena Afrikana ny hahatongavana amina hevitra iraisana. Nofintininy fa: Mahaliana ny hahita ny fomba hitondràn'izy ireo ny maha-mpikambana azy ao anivon'ny G20 sy hahatongavany amina hevitra iraisana. Angamba ny Vondrona Afrikana mety ho afaka hamorona rafitra hahafahana mifampidinika amin'ireo firenena mpikambana ao aminy mialoha ireo Vovonana antampony G20 mba hiantohana ny fahombiazany. Nanamarika ny lahatsoratra iray an'ny Amani Africa fa ny tsy fisiana mpisolo tena Afrikana tao amin'ny G20 dia niafara tamina fanapahankevitra tsy mahomby, mitarazoka sady mitongilana mankany amin'ireo firenena mpampindram-bola, araka izany dia manakana ny fampandrosoana ara-toekarena an'i Afrika. Asongadin'ity lahatsoratra ity ihany koa fa ny fampidirana ny AU ho ao amin'ny G20 dia hanome sehatra an'i Afrika hamahana ireo olana tahaka ny fitobahan'ny vola tsy ara-dalàna sy ny fiovaovan'ny toetrandro, no sady hanonitra ny anjara andraikitra mihenan'ny Firenena Mikambana amin'ny fandrafetana ny politika ara-toekarena. Nasongadiny ihany koa fa ny fampidirana an'i Afrika ho mpikambana ao anaty G20 amin'ny alalan'ny UA dia hanova ny satany avy amin'ny mpitaty fotsiny ho lasa mpandray anjara mavitrika ao anaty fandraisana fanapahankevitra ara-toekarena sy ara-bola manerantany, izay manamafy amin'ny ampahany ny voalazan'i Dr. Ayoade Olatunbosun-Alakija nandritra ny tafatafa teo amin'ny DD India voalaza tery aloha. Koa satria ny AU mandray ny andraikiny amin'ny maha- mpikambana vaovao azy ao amin'ny G20 izay lasa G20 miampy iray manomboka izao, ny fotoana no hanambara hoe hatraiza ny  halehiben'io fampidirana io no ho fiovàna goavana ho an'ilay tanibe eo amin'ny sehatra manerantany.
https://mg.globalvoices.org/2023/12/26/167432/
Hitan'i UK ho olana ny fifindra-monina, tsy mihevitra izany kosa ny mpandala zon'olombelona sy ny Vondrona Afrikana
2023-12-26T05:42:29
Unknown
Ny fihaonan'ny Praiminisitra Britanika Rishi Sunak amin'ny Filohan'i Rwanda Paul Kagame tao amin'ny 10 Downing Street, Londres, 4 Mey 2023. Saripika n'i Simon Dawson/ Number 10 ao amin'ny Flickr ( CC BY 4.0 DEED ) Tamin'ny 14 aprily, nanao soniam-pifanarahana mampiady hevitra ny Fanjakana-Mitambatra (UK) sy Rwanda hamindrana ireo mpitady fialokalofana sasany tonga ao UK ho any Rwanda. Tafiditra ao anaty fifanarahana ny fandefasana mpitady fialokalofana sasany tonga any UK ho any Rwanda hikarakarana azy ireo sy mety honenany ao. Antony nahatonga ity fifanarahana ity dia ny fitomboan'ny isan'ny mpifindra monina tsy ara-dalàna tonga amin'ny sambokely izay manodidina ny 8.500 tamin'ny taona 2020, 28.000 tamin'ny taona 2021 ary hatramin'ny 45.000 tamin'ny taona 2022 , ary heverin'ny governemanta fa hanakivy ny olona tsy hampiasa ireo fomba “ tsy ara-dalàna, mampidi-doza na tsy voatery hidirana any amin'ny Vondro-Nosy Britanika ” ny fampiharana io politika io, anisan'izany ny fampiasana sambo kely hiampitana Lakandrano Anglisy. Na izany aza, nisarika ny fifantohan'ny fikambanan'ny mpiaro ny zon'olombelona toa ny Amnesty International sy ny Kaomisaria Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) ity fandaminana ity sy avy amin'ireo politisiana britanika mpanohitra izay nanamarika izany ho tsy azo ampiasaina sy tsy manaja ny maha-olombelona . Tamin'ny Novambra, namoaka didy hanohitra ilay drafitra ny Fitsarana Tampony britanika: The UK Supreme Court has ruled against the British government's plan to send asylum seekers to Rwanda, saying it's unlawful. The court unanimously ruled that Rwanda is not a safe third country to send asylum seekers to. Here’s some context 🧵 https://t.co/C84pk0OWZr — BBC News Africa (@BBCAfrica) November 15, 2023 Namoaka didy manohitra ny fikasan'ny governemanta britanika handefa mpitady fialokalofana ho any Rwanda ny Fitsarana Tampony Britanika, ary nilaza fa tsy ara-dalàna izany. Niray feo ny fitsarana fa tsy firenena fahatelo azo antoka handefasana mpitady fialokalofana i Rwanda. Ity ny odidina vitsivitsy Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny CGTN Africa , nohazavain'i Alain Mukurarinda, mpitondrateny lefitry ny governemantan'i Rwanda, ny faneken'i Rwanda ny fifanarahana ho fanoloran-tena amin'ny famahana ny krizin'ny fifindramonina. Nasongadiny, tamin'ny fanoritana ny fahazarany mandray mpifindramonina, fa firenena azo antoka afaka manome hatsaram-piainana faran'izay kely indrindra azo iainana i Rwanda. Na izany aza, tamin'ny taona 2020 ny UNHCR nametraka tatitra tao amin'ny fizotra Universal Periodic Review (UPR) momba ny fizotry ny fialokalofana ao Rwanda. Naneho ny ahiahiny ny UNHCR, anisan'izany ny fandàvana ahafahan'ny olona sasany miditra amin'ny fizotram-pialokalofana, ny mety hisian'ny fanagadrana sy ny fampodiana ireo mpitady fialokalofana tsy manan-taratasy, ny fanilikilihana mety hihatra amin'ny LGBTIQ+ amin'ny fomba fialokalofana, ary ny tsy fisian'ny fisoloantena ara-pitsarana. Nasongadin'i Mukurarinda fa hamatsy vola ny fandaharan'asam-pialokalofana ny governemanta UK, miaraka amin'ny vatsy kasaina hamindrana ireo mpitsoa-ponenana. Tondroin'ny tatitra vao haingana fa nandoa 100 tapitrisa livra (USD 126 tapitrisa) ny UK tamin'ity taona ity miohatra amin'ny 140 tapitrisa livra (USD 176 millions) naloa tamin'ny herintaona, na dia tsy nisy mpangataka fialokalofana nalefa avy tany Angletera ho any Rwanda aza noho ny fanemorana nateraky ny fanamby ara-pitsarana. Tsy vao izao no nisy fifanarahana toy izany. Tao amin'ny lahatsary YouTube avy amin'ny CGTN Africa , naneho hevitra momba ny famindràna any amin'ny firenen-kafa ny fizotram-pialokalofana i Achieng Akena, tale mpanatanteraka ao amin'ny International Refugee Rights Initiative , ka nitanisany ireo tranga toy ny fandefasan'i Etazonia ny Afghana ho any Ogandà sy ny fikasan'i Danemark hanao fifanarahana toy izao amin'i Rwanda . Araka an'i Achieng, notsikerain'ny Vondrona Afrikana ho mankahala vahiny sy tsy azo ekena mihitsy ity dingana ity . Nolazainy fa fifanarahana miafina natao teo amin'ny governemanta roa tonta tsy nisy fifampidinihana tamin'ny vahoaka mifanohitra amin'ny idealin'ny Pan-Afrikanisma izao sy izay iezahan'ny Afrikana hotratrarina amin'ny maha-kaontinanta ifotoram-bahoaka azy. Naneho ny fisalasalany amin'ny fahombiazan'ny fifanarahana tao amin'ny lahatsary YouTube ihany koa i Lewis Mudge, talen'ny Human Rights Watch ao Afrika Afovoany : It didn't work in Australia. Australia tried to implement this type of program, and it had abysmal consequences in terms of people's human rights being completely trampled on . Tsy nahomby io tany Aostralia. Niezaka i Aostralia nampihatra io karazana fandaharan'asa io, ary niteraka voka-dratsy dia ratsy teo amin'ny lafiny zon'olombelona voahitsakitsaka tanteraka . Samy nanana ny nandraisana ny fifanarahana ny fikambanana sy olona samihafa aty Afrika. Na dia tsy mahita fahadisoana aza ny sasany, manohitra mafy azy io kosa ny hafa. Araka ny UNHCR, efa ampiantranoina any amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana ny 85 isanjaton'ny mpitsoa-ponenana erantany. Rwanda monja dia efa mandray mpitsoa-ponenana 130 000 eo ho eo, ka 91 isanjato mipetraka any amin’ny toby . Ao amin'ny lahatsarin'ny CGTN Africa, nanome ny fomba fijeriny momba ny fahafahan'i Rwanda mandray mpitsoa-ponenana i Gatete Nyiringabo Ruhumuliza, mpisolovava momba ny zon'olombelona sady mpandalina politika mahaleotena ary nilaza hoe: Migrants are not a problem for us. It's not about our capacity to absorb them; it's about tapping into their strength and skills. These are resilient individuals who have crossed rivers, deserts, and war zones. We stand to benefit from them. In fact, we should be receiving payment from the UK for them to send us new human beings. Tsy olana ny mpifindramonina aminay. Tsy resaka fahaizanay mifaoka azy ireny fa momba ny fikitihana ny tanjany sy ny talentany. Olona nisedra zavatra maro niampita renirano sy tanihay ary faritra nisy ady ireo. Mijoro izahay hahazo soa avy amin-dry zareo. Raha ny marina, tokony handray vola avy amin'ny UK isika mba handefasan-dry zareo olombelona vaovao ho antsika. Mikasika ny tombontsoa ho an'ireo mpitady fialokalofana indray, mino i Lewis fa tsy hahasoa ireo te-ho any Angletera ilay fifanarahana. Mandresy lahatra mafy izy fa manan-jo hohainoana amin'ny momba azy hialokaloka ao ireo nahatratra ny vondronosy britanika, ary raha azo inoana ny antony dia tokony homena fialokalofana izy. Manamafy i Lewis sy i Achieng fa mampiasa io drafitra io ny UK hialany andraikitra amin'ny fanomezana fialokalofana. Jeren-dry zareo miiba ilay fifanarahana, manonona ahiahy amin'ny filaminana ao Rwanda, manondro ny fandraketana zon'olombelona manahirana ao, ary miahiahy amin'ny fametrahan'i UK an'i Rwanda ho fialofana azo antoka. Manamafy i Achieng fa raha tena tsara ilay fifanarahana, dia tsy ho natao an-tsokosoko tsy nisy fandraisan'ny besinimaro anjara ny fanapahan-kevitra. Navoitrany ny tsy fisian'ny mangarahara momba ny zon'ny olona nafindra toerana any Rwanda, voakiana ny fahabangan'ny zarahay mazava momba ny fangatahana sy ny fiarovana ny zo misy any UK saingy mety tsy hisy any amin'ny firenena andefasana. Heveriny ho tsy azo ekena, mankahala vahiny, ary manavakava-bolon-koditra izany. Raha mahita ny fifindra-monina Afrikana ho olana ny UK sy i Rwanda, tsy mitovy hevitra amin'izany i Achieng sy ny Vondrona Afrikanina. Nasongadin'i Achieng fa kely dia kely ny isan'ny Afrikana mifindra monina any Eoropa raha oharina amin'ny fifindra-monina ao amin'ny kaontinanta sy ny fifindra-monina Aziatika . Araka ny filazan'i Achieng, ny fanatsarana ny fifindra-monina ara-dalàna manerana an'i Afrika no setriny ampiharin'ny Vondrona Afrikana sy ny fampiharana ny arofenitra fahalalahan'ny fivezivezena, dingana an-dalam-panatanterahana. Nanao tatitra ny UNHCR fa tamin'ny taona 2022 dia olona maherin'ny 108 tapitrisa eran-tany no voatery nandositra ny fonenany noho ny fanenjehana, fifandonana, herisetra, fanitsakitsahana ny zon'olombelona na trangan-javatra henjana manelingelina ny filaminam-bahoaka. Mbola ho hita na hahavaha ny krizin'ny fifindra-monina amin'ny fomba mahomby nefa tsy manimba ny zon'ny mpitsoa-ponenana io politika mampiady hevitra io.
https://mg.globalvoices.org/2025/08/12/175416/
MIVANTANA amin'ny 14 Aogositra: Habaka ankihy ho an'ny fiteny Quechua: filaminana sy fampiatìna anjotra
2025-08-12T05:33:24
Unknown
Tsy mitsaha-mitombo ny votoaty ankihy amin'ny fiteny Quechua, afa-manararaotra bebe kokoa ny fianakaviamben'ny mpiteny Quechua hisolo tena anjotra sy hifandray kokoa manoloana ny elanelana ara-jeografika. Mitombo isa tokoa ny votoaty, fa mitombo miaraka amin'izany ihany koa ny fanamby hiantohana ireo habaka nomerika ho toerana tsimialonjafy, azo antoka ary mahafoaka ny rehetra, ao anatin'izany ny fandanjalanjàna votoaty havoaka na tsia amin'ny media sosialy. Amin'ity fizarana Global Voices Insights ity, hojeren'ireo nasaina ny andraikitry ny mpikatroka ankihy amin'ny famolavolana sehatra anjotra maneho ny soatoavina sy ny filan'ny fianakaviamben-dry zareo. Hoheverina mandritra ny fotoana ihany koa ny andraikitry ny mpandray anjara hafa, toy ny orinasan'ny teknolojia, amin'ny fampahazoana antoka fa raisina sy ho azon'ireo fianakaviamben'ny fiteny ireo idirana ireo habaka ankihy ireo. Miaraha aminay amin'ny Mivantana YouTube amin'ny 14 aogositra 2025, amin’ny 11 ora EDT/3 ora hariva UTC/5 hariva CET ( 6 ora hariva eto Madagasikara ) hijery fifanakalozan-kevitra ahitana an'i: Américo Mendoza Mori : mpikaroka momba ny literatiora, ny haifiteny ary ny kolontsaina Amerikana Latina, ka ifantohana manokana ny teny sy ny politikan'ny teny indizeny. Mampianatra ao amin'ny Kolejy St. Olaf any Minnesota izy ankehitriny. Mandray anjara mavitrika amin'ny hetsika fampiroboroboana sy fampianarana ny kolontsaina Quechua sy Andeana izy ao Però sy any Etazonia. Anisan'ny famoahana akademika nosoratany ny Quechuactivism amin'ny Tambajotra Sosialy: Votoaty Ankihy sy ny Fanentanana amin'ny fiteny Indizeny (2023), ary vao haingana ny namoahany ny Runa TikTok: Mandrafitra antsaritany indray ny fijoroan'ny ampielezana indizeny Quechua any amin'ny tambajotra sosialin'i Etazonia (2025). Dhanaraj Thakur : Talem-pikarohana ao amin'ny Foiben'ny Demokrasia & Teknolojia, izay itarihany fikarohana ampandrosoana ny zon'olombelona sy ny fahalalahana sivily anjotra. Nanaovana antsafa izy ary voatsonga ao amin'ny famoaham-baovao maro ny asany, anisan'izany ny WIRED, CNN, ny WSJ, ny Economist, ary ny Guardian (UK). Ankoatra izay, namoaka lahatsoratra an-gazety efa voajern'ny mpikaroka mitovy aminy, tokom-boky ary taratasim-belakevitra mihoatra ny 50 izy. Manana mari-pahaizana PhD amin'ny Politikam-panjakana avy amin'ny Georgia Institute of Technology izy, ary nahazo diplaoma tao amin'ny London School of Economics sy ny University of the West Indies (Jamaica). Emma Vadillo Quesada : tonian-dahatsoratra sy profesora avy any Frantsa sy Però. Manana mari-pahaizana roa avy amin'ny Sciences Po Paris sy Columbia University izy sy diplaoma amin'ny fiteny sy ny kolontsaina Quechua avy amin'ny INALCO. Mankamamy ny famelomana indray ny fiteny izy, indrindra ny teny Quechua, ary niara-niasa tamin'ny Wikimedia, ny Tetikasan'ny Teny Tandindonin-doza, ny Fiombonana Quechua ao New York ary ny Asociación Pukllasunchis ankoatra ny hafa. Niara-nikarakara ny fihaonambe Contribuling sy HIGA izy ary niasa tamin'ireo tetikasa iraisan'ny sekoly lehibe isankarazany toa ny Lingua Libre na MOOC Quechua. Tamin'ny taona 2024 izy niara-nanorina ny Watuchi Siminchik Wasi izay manana tanjona hitandro ny fiteny quechua sy indizeny ao Abya Yala amin'ny alalan'ny famoaham-boky, ny fifampianarana ary ny fananganana fiaraha-monina. (watuchi.org, @wa.tu.chi) Mampianatra Quechua Tatsimo ao amin'ny Alliance Française ao Lima ihany koa izy. Nicaela León Coico : mpahay teny Quechua sy mpanao fandravahana an-tsary. Mpikatroka an'aterineto, mifantoka amin'ny famelomana ny fiteny Quechua amin'ny alalan'ny fampiasana ny zavakanto sy ny teknolojia ny asany. Mpikambana ao amin'ny Editorial Collective Atuq Yachachiq sy Simi App izy. Mpandrindra: Marco Antonio Martínez : Marco Antonio Martínez, avy amin'ny vondrom-piarahamonina Maaxïnkojm ao Sierra Mixe ao Oaxaca, Meksika, miteny Ayöök, iray amin'ny karazam-piteny Mixe. Nianatra hahazo ny mari-pahaizana Bachelor amin'ny fitantanan-draharaha sy ny mari-pahaizana maîtrise momba ny hetsika ara-tsosialy amin'ny Hodidina Manerantany, sy noho ny toe-javatra samihafa, dia nandray anjara tamin'ireo tetikasam-pisoloanteny tamin'ny alalan'ny sehatra toy ny radio, atrikasa momba ny teny, ary ny aterineto. Mpikambana ao amin'ny COLMIX (Mixe Collective) izy ary mpiara-manorina ny Kumoontun, fikambanana sivily tsy mitady tombombarotra te-hanohana sy handray anjara amin'ny tetikasam-piarahamonina, mamokatra sy ara-kolontsaina ao amin'ny vondrom-piarahamonina indizeny ao Sierra Mixe ao Oaxaca. Hotontosaina amin'ny teny espaniola sy anglisy ity webinar ity, arahina fandikana eo noho eo. Miangavy mba misorata anarana ato azafady. Manantena izahay fa hiaraka aminay ianao amin’ny Alakamisy 14 aogositra , amin’ny 11 ora maraina EDT/3 ora hariva UTC/5 hariva CET (tsindrio eto raha hanova azy ho amin'ny hasin'oran’ny toerana misy anao).
https://mg.globalvoices.org/2025/11/05/175764/
Fanabeazana ankihy ao Chiapas: Fanoitran'ny hoavy tsara kokoa ho an'ny zazavavy
2025-11-05T06:01:40
Unknown
Sary avy amin'i Ileanaruavi ao amin'n Pixabay . Azo ampiasaina malalaka araka Lisansam-botoaty Pixabay . Avy amin'i Frida Ibarra Any an-tendrombohitra avon'i Chiapas, Meksika, izay anaronan'ny zavona ny tendrombohitra maitso, mbola monina an-tanàna kely izay nitaizany ny fianakaviany ny renibeko. Tsy nianatra namaky teny sy nanoratra mihitsy izy. Tapa-kevitra ny hanohy ny fianarany ny reniko, nandao ny tanàna fony zatovo ka hianatra any an-tanàna akaiky, vitsy ny ankizivavy tamin'izany fotoana izany no sahy nandalo izany sedra izany tao amin'ny fokonolona misy azy. Izaho indray nahazo tombontsoa tsy mba azon'ny reniko sy ny renibeko mihitsy: nianatra maharitra an-tsekoly, akaiky boky, sy aterineto taty aoriana. Namolavola manontolo ny zavatra rehetra nataoko io vikina avy amin'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra mankany amin'ny fidirana nomerika io. Io no tondrozotra mitarika ahy hahazoana antoka fa afa-mampiasa teknolojia ny zazavavy kely any Chiapas, tsy ho fianarana fotsiny fa ho amin'ny fitarihana koa. Avo dia avo ny fanamby. Iray amin'ireo fanjakana mahantra indrindra any Meksika i Chiapas. Araka ny Filankevi-Pirenena ho Fanombanana ny Politikam-Pampandrosoana Sosialy ( CONEVAL ) any Meksika, ny 74,2 isanjaton'ny mponina no miaina ao anaty fahantrana, ary 46,5 isanjato no ao anatin'ny fahantrana tanteraka. Ary 31 isanjato monja ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny sehatry ny asa ara-dalàna, ambany lavitra noho ny salanisa nasionaly izay 45 isanjato, ary any amin'ny fambolena na fivarotana madinika ny ankamaroan'ny vehivavy no miasaasa, mahazo vola eo ho eo amin'ny MXN 5.200 isambolana (eo amin'ny 260 USD eo ho eo) tsy misy tombontsoa na antoka amin'ny asa. Mbola sakana lehibe ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra . Manodidina ny 16–17 isanjato ny taha manerana ny fanjakana, fa miakatra eo anelanelan'ny 25–30 isanjato kosa izany eo amin'ny vehivavy teratany. Manodidina ny 28 isanjaton'ny mponina ao Chiapas no miteny teratany toy ny Tzotzil, Tzeltal, ary Chol, nefa ny ankamaroan'ny fitaovam-pampianarana sy nomerika dia amin'ny teny Espaniola, ka mampisy hantsana lehibe amin'ny fiteny ary matetika manasaraka ny mpianatra amin'ny fakany ara-kolontsaina. Anisan'ny ambany indrindra any Meksika ny fidirana an'aterineto n'ny any ambanivohitr'i Chiapas: eo amin'ny 35 isanjaton'ny tokantrano ambanivohitra ihany no afa-miditra amin'izany, raha oharina amin'ny 75 isanjato any an-tanàndehibe. Maro amin'ireo foibem-piarahamonina no miantehitra amin'ny solosaina birao lany andro sy herinaratra tapatapaka, indraindray zakain'ny takela-masoandro ihany. Any amin'ny tanàna sasany, solosaina iray no ifandimbiasan'ny mpianatra 20 na mihoatra. Manampy sosona fameperana iray hafa ny herisetra. Tamin'ny taona 2024, nandrakitra herisetra nitera-pahafatesana vehivavy miisa 197 tao Chiapas ny Feminist Observatory , ary 63 tamin'izy ireo no voamarina fa famonoana vehivavy. Ireo ambana ireo no mahatonga ny zazavavy sahirana kokoa mianatra any an-tsekoly na mandray anjara amin'ny fandaharan'asa aorian'ny fianarana. Miasa ao anatin'ireo fameperana ireo ny hetsika sasany. Mampitao mpampianatra any ambanivohitra amin'ny alalan'ny drafitry ny lesona avo lenta azo ampiasaina amin'ny finday ny Low-Tech Program , tohanan'ny UNICEF. Mampiditra ny ankizivavy 12-17 taona hianatra kaody, rôbôtika, ary fahaiza-manao STEM hafa ny fandaharan'asa iray antsoina hoe Tecnolochicas , izay ahafahan'ireo mpandray anjara manatsara hatramin'ny 60 isanjato ny fahaizany ara-nomerika, ary itondrany fahatokisan-tena bebe kokoa sy faniriana ambony kokoa hiditra amin'ny asa mifandraika amin'ny teknolojia. Manomboka amin'ny famolavolana tranonkala ka hatramin'ny IA, arahim-pijery miralenta ny tetikasan-dry zareo. Nampiseho vokatra ihany koa ny fampiatìna kolontsaina teratany amin'ny fanabeazana ankihy. Tsy vitan'ny hoe manatsara ny fitadidiana ny fiaraha-mandrafitra votoaty STEM amin'ny fiteny eo an-toerana, fa tsy mampitsanga-menatra ara-kolontsaina ihany koa, singa iray tena ilaina hahatamàna ny zazavavy any an-tsekoly. Ohatra iray amin'izany ny hetsika vao haingana nataon'i Meksika handika boky fianarana vaovao miisa 180 ho amin'ny fiteny teratany miisa 20, tarihin'ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fanabeazam-bahoaka , izay mikendry ny hampiroborobo ny fampiatìna ara-panabeazana sy ny rehareha ara-kolontsaina. Efa lonaka tao Chiapas ny onja fahefatry ny feminisma ao Meksika, izay voamariky ny fitarihan'ny tanora sy ny fikatrohana ankihy. Manangana tranonkala ho an'ny vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy, mamelona fanentanana amin'ny media sosialy hanoherana ny herisetra an-tokantrano ireo zazavavy voaofana amin'ny fanoratana kaody ary mamakafaka ny angon-drakitra momba ny famonoana vehivavy mba hanohanana ny fiarovana ifotony. Fanoherana mangina nefa mifahatra manoloana ny tsy fitoviana ara-drafitra ny fiaraha-miasan'ireo fikambanana eo an-toerana sy ireo tanora voaofana amin'ny teknolojia, ilay mikiry fa afa-miaraka ny fikajiana ny kolontsaina sy ny fandrosoana . Milaza ny fanadihadiana avy amin'ny Banky Iraisampirenena fa mety hampihena ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ao Chiapas hatramin'ny 10 isanjato ao anatin'ny folo taona ny fampiasam-bola maharitra amin'ny fanabeazana ankihy any ambanivohitra. Raha bebe kokoa ny foiben-teknolojia eo an-toerana, dia afaka mitarika ny fampandrosoana ara-toekarena amin'ny alàlan'ny orinasa, fiaraha-miasa, ary tetikasa ara-kolontsaina, tsy miala amin'ny toerana iantsoany hoe tanindrazany ny vehivavy tanora. Saingy raha tsy misy famatsiam-bola maharitra sy fanohanana ara-politika, mbola hametra ny fahafahana ny fahantrana sy ny herisetra amin'ny lahy sy ny vavy. Hihalalina ny hantsana nomerika, ary mbola hisy taranaka vehivavy iray hafa any ivelan'ny toekarena ankihy. Miankina amin'ny famoronana sehatra ahafahan'ny vehivavy manatanteraka ny nofinofiny, mizara ny fahalalàny, ary mamolavola ny hoavin'i Meksika ny hoavin'ireto zazavavy ireto. Manomboka amin'ny famantarana sy fahatakarana ireo olan'ny vehivavy manokana izany, arahin'ny valiny manolotra fangorahana sy fizakàna. Amin'ny alalan'ireo hetsika ireo ihany no ahafahantsika mamoaka marina ny angôvon'izy ireo sy manangana fiarahamonina manaja ny rariny sy miroborobo kokoa. Miverina any amin'ny renibeko, voafetran'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ny tontolony, sy any amin'ny reniko, nandao ny tranony mba hanohy fianarana ny eritreritro. Ankehitriny aho mahita zazavavy any Chiapas miakatra dingana tsy tratran'ny fianakaviako mihitsy. Malemy io dingana io, nefa manangana azy tsikelikely izahay.
https://mg.globalvoices.org/2025/09/04/175419/
Trinidad & Tobago: tandindonin-doza ireo trondro ‘cascadu’ lalain'ny ao an-toerana
2025-09-04T07:19:05
Unknown
Sarin'ny Hoplosternum littorale (cascadu) tao amin'ny Canva Pro . Tamin'ny 25 Aprily 2025 ity lahatsoratra nosoratan'i Jenissa Lawrence ity, ampahany amin'ny andiany fahatelo ao anatin'ny Tetikasa Fanaovan-gazetin'ny Tanoran'ny Cari-Bois, no nivoaka voalohany tao anatin'ny Cari-Bois Environmental News Network . Dika iray nasiana fanovàna no averin'ny Global Voices avoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty. Misy angano iray avy ao an-toerana momba ny cascadu nifandovan'ny taranaka: raha mihinana io trondron-dranomamy be nofony io ianao dia ho tavela ao Trinidad. Kanefa, miaraka amin'ny fihenan'ny isan'ireo cascadu ao an-toerana, vitsy izao ny olona mety hanana izay antoka izay. Ny Taridalana an-tambajotra momba ireo biby ao Trinidad & Tobago navoakan'ny University of the West Indies (UWI) dia mamaritra ny cascadu ho manana “vatana mirakotra fiarovana mafy ahitàna kirany taolana milahatra lavabe, mipetraka milamina tsara amin'ny valahany, mifampiditra tsirairay mba  hiantohana ny fiarovana […], avy amin'izany koa no nanomezana ilay anarana hoe trondro-saka mirongo fiarovana.” Na dia karazan'ireo trondro-saka tokoa aza izy io, “manana loha mitalesaka sy volombava mitsilotsilo roa andaniny sy ankilany mivoaka avy ao ambanin'ny saokany,” anarany ara-tsiantifika ny hoe Hoplosternum littorale ary teratany avy ao Trinidad sy ireo ao Amerika trôpikaly izy. Mazàna hita amin'ireo ranomamy misy fotaka ao amin'ny faritra atsimo sy afovoan'ilay firenena, ilay karazany mpivoaka alina dia miloko volontsôkôlà matroka ary mety ho mainty  manontolo, izay manampy azy hiafina rehefa misy mihaza . Kanefa, tsy ireo biby mpiremby voajanahary sy ny jono no antony voalohany amin'ny fihenan'ny isan'ireo cascadu. Taona efatra lasa izao, ny Aogositra 2021, nitatitra ny Trinidad & Tobago Newsday fa ny fiovàn'ny toetrandro dia misy fiantraikany ratsy amin'ny fitomboan'ireo karazana ireo. Ilay ekôlôjista mpahay ny atirano, Ryan S. Mohammed, dia nanazava fa rehefa mivady ny trondro amin'ny fanombohan'ny vanintaona manorana ao Trinidad, izay raha ny nahazatra dia eo anelanelan'ny Jona sy Desambra, dia manamboatra akany mitsingevana ny lahy mba hametrahan'ny vavy ny atodiny. Ny anton'io dia satria mazàna no ambany loatra ny fatra oksizena levona ao anatin'ny làlandrano onenan-dry zareo. “Koa satria ny oksizena dia tena fototry ny fahaveloman'ny atody”, hoy izy nanampy, “ilay akany fanatodizana mitsingevana dia fifangaroana rivotra, mucus ary zavamaniry vitsivitsy. Mijanona ety ambony saingy anaty rano ahazoany ôksizena ampy azy tsara ireo atody. Kanefa arovan'ilay akany izy ireo tsy ho tratry ny hafanana ambony be sy ny taramasoandro mivantana hita eo ambonin'ny rano.” Satria ny fampitomboan-taranaka mahomby dia miankina amin'ny fanavahana mazava tsara ny vanintaona maina sy manorana, ireo fiovàna vao haingana sy tsy nampoizina tamin'ny toetrandro teo an-toerana dia manampy amin'ny fihenan'ny isan'ireo cascadu. Learn more about our donation campaign. Tanaty antsafa an-telefaona tamin'ny 10 Aprily 2025, nambaran'i  Nirmal Ramoutar, mpiompy cascadu ao an-toerana, fa ny fiovàn'ny maripàna koa dia misy fiantraikany ratsy amin'ireo cascadu, izay anaty rano mangatsiatsiaka no miroborobo. Fomba roa no ahafahan'ilay trondro mifoka rivotra — tsy maintsy miakatra tsindraindray maka rivotra izy — saingy rehefa avo loatra ny maripàna, dia tsy miakatra ambony ry zareo. Zavadehibe koa ho an'ny fahaveloman'ireo atody ny ôksizena. Raha miainga avy amin'ny fandinihan'i Ramoutar, na ny cascadu lahy na ny vavy dia samy manorina ilay akany, ny tampony dia vita amin'ny bozaka na mololo. Ny ambany indray — satria mitahiry ôksizena — dia toy ny roatran-tsavony. Nahamarika izy fa efa ho vavy miisa 15 no manatody amina akany iray; rehefa avy manatody, anefa, dia ny lahy irery no mijanona mikarakara ireo atody an'arivony maro. Lahatsoratra iray tamin'ny 2021 tao anatin'ny Trinidad & Tobago Express, nosoratan'ilay mpahay tontolo iainana, Heather-Dawn Herrera, no nanamarika ny fitontonganan'ny isan'ireo cascadu, tsy vokatry ny fiovàn'ny toetrandro ihany fa koa noho ny nataon'olombelona, toy ny fitsihan'ny simika avy amin'ny fambolena. Na eo aza ireny fiantraikany ratsy samihafa ireny, mbola manantena i Ramoutar hoe afaka hameno ny banga ho an'ireo mponina ao aminy ny fiompiana trondro anaty dobo, izay manome azy ireo ny tontolo sahaza azy hiroboroboany. Anatin'ny ezaka hanalefahana ny fiantraikan'ny maripàna ambony kokoa , mamboly lisy sy tsinkafonkafon-drano i Ramoutar mba hanampiana amin'ny fampangatsiatsiahana ny rano. Na izany aza, tsy  maintsy ataony koa izay tsy handrakofan'ireny zavamaniry ireny ny ambonin'ny dobo ka hanakana ireo cascadu hiakatra haka ôksizena. Iray hafa fiantraikan'ny olan'ny toetrandro ny hoe niaina tsy fahampiana rotsak'orana goavana i Tobago, izay ambaran'i Ramoutar fa nisy fiantraikany ihany koa tamin'ireo cascadu. Ny tondradrano , ohatra, dia mety hifaoka ireo akany, hanelingelina ny fahafahan'ireo trondro hiakatra haka rivotra sy hampihena ny fatra ôksizena ao anaty rano, mahasarotra kokoa ny fisefoana ho azy ireo. Raha tsy voafehy ireny fiantraikany ratsy manimba ireny, mety hitondra ho any amin'ny faharingànan'io trondron-dranomamy tsy manam-paharoa io sy, raha hitarina, any amin'ny fanjavonan'ny endrika iray amin'ny lova ara-kolontsaina manankarenan'ilay firenena. Saingy, amin'ny alàlan'ny fiarovana ny toerana fonenany, fanarahamaso ny kalitaon'ny rano, ary ny fampiroboroboana fomba fanao maharitra, afaka ny hitohy hisitraka cascadu ireo andian-taranaka hoavy ary manohy mampiaina ny anganony. Tanaty antsafa an-telefaona tamin'ny 10 Aprily 2025, nambaran'i  Nirmal Ramoutar, mpiompy cascadu ao an-toerana, fa ny fiovàn'ny maripàna koa dia misy fiantraikany ratsy amin'ireo cascadu, izay anaty rano mangatsiatsiaka no miroborobo. Fomba roa no ahafahan'ilay trondro mifoka rivotra — tsy maintsy miakatra tsindraindray maka rivotra izy — saingy rehefa avo loatra ny maripàna, dia tsy miakatra ambony ry zareo. Zavadehibe koa ho an'ny fahaveloman'ireo atody ny ôksizena. Raha miainga avy amin'ny fandinihan'i Ramoutar, na ny cascadu lahy na ny vavy dia samy manorina ilay akany, ny tampony dia vita amin'ny bozaka na mololo. Ny ambany indray — satria mitahiry ôksizena — dia toy ny roatran-tsavony. Nahamarika izy fa efa ho vavy miisa 15 no manatody amina akany iray; rehefa avy manatody, anefa, dia ny lahy irery no mijanona mikarakara ireo atody an'arivony maro. Lahatsoratra iray tamin'ny 2021 tao anatin'ny Trinidad & Tobago Express, nosoratan'ilay mpahay tontolo iainana, Heather-Dawn Herrera, no nanamarika ny fitontonganan'ny isan'ireo cascadu, tsy vokatry ny fiovàn'ny toetrandro ihany fa koa noho ny nataon'olombelona, toy ny fitsihan'ny simika avy amin'ny fambolena. Na eo aza ireny fiantraikany ratsy samihafa ireny, mbola manantena i Ramoutar hoe afaka hameno ny banga ho an'ireo mponina ao aminy ny fiompiana trondro anaty dobo, izay manome azy ireo ny tontolo sahaza azy hiroboroboany. Anatin'ny ezaka hanalefahana ny fiantraikan'ny maripàna ambony kokoa , mamboly lisy sy tsinkafonkafon-drano i Ramoutar mba hanampiana amin'ny fampangatsiatsiahana ny rano. Na izany aza, tsy  maintsy ataony koa izay tsy handrakofan'ireny zavamaniry ireny ny ambonin'ny dobo ka hanakana ireo cascadu hiakatra haka ôksizena. Iray hafa fiantraikan'ny olan'ny toetrandro ny hoe niaina tsy fahampiana rotsak'orana goavana i Tobago, izay ambaran'i Ramoutar fa nisy fiantraikany ihany koa tamin'ireo cascadu. Ny tondradrano , ohatra, dia mety hifaoka ireo akany, hanelingelina ny fahafahan'ireo trondro hiakatra haka rivotra sy hampihena ny fatra ôksizena ao anaty rano, mahasarotra kokoa ny fisefoana ho azy ireo. Raha tsy voafehy ireny fiantraikany ratsy manimba ireny, mety hitondra ho any amin'ny faharingànan'io trondron-dranomamy tsy manam-paharoa io sy, raha hitarina, any amin'ny fanjavonan'ny endrika iray amin'ny lova ara-kolontsaina manankarenan'ilay firenena. Saingy, amin'ny alàlan'ny fiarovana ny toerana fonenany, fanarahamaso ny kalitaon'ny rano, ary ny fampiroboroboana fomba fanao maharitra, afaka ny hitohy hisitraka cascadu ireo andian-taranaka hoavy ary manohy mampiaina ny anganony.
https://mg.globalvoices.org/2025/09/22/175485/
Arahin'i Karaiba maso akaiky ny rivodoza Erin, ilay rivotra lehibe voalohany ao Atlantika amin'ity taona 2025 ity
2025-09-22T05:31:11
Unknown
Sary najoro tamin'ny fampiasana singa Canva Pro . Amin-tebiteby hatrany isan-taona no iandrasan'i Karaiba amin'ny fomba ofisialy ny fanombohan'ny vanim-potoanan'ny rivodozan'i Atlantika . Efa anjato taonany maro no mamely ny faritra ny rivodoza — izay niteraka fahaverezana be [mg] ho an'ireo firenena [fr] voakasika ampolony taona maro [mg] izao — manondro ny fikarohana fa na dia tsy voatery hitombo aza ny isan'ny tafiotra rehefa amin'ny fotoanany noho ny krizin'ny toetrandro, dia nampitombo ny heriny [fr] kosa izany. Vaovao mampanahy izany ho an'ireo nosy kely an-dalampandrosoana (SIDS) ao amin'ny vondronosy Karaiba, izay nitakìn'ny olom-pirenena hatry ny ela ny hamahàna ny krizin'ny toetr'andro amin'ny fomba mankatoa sy manaja ny fiaretan ‘ny mponina ao amin'ny faritra. Milofo [mg] ry zareo misolovava ho an'ny faritra misy azy [mg], miforona hatrany koa ny rivo-doza. Ny rivo-doza Erin no voalohany amin'ity taona 2025 ity, nosokajian'ny National Hurricane Center any Etazonia ho Sokajy faha-5 (mahery indrindra). Matetika mitondra fahasimbàna izay miteraka fahasimban-trano sy miteraka fitokana-monin'ny vondrom-piarahamonina izany sokajy mahery indrindra izany noho ny fidabohan'ny hazo sy ireo fotodrafitrasa mitondra herinaratra; mila esorina amin'ny fonenany noho izany ireo faritra tandindonin-doza ho fisorohana ny famoizana aina. Fantaro bebe kokoa ny momba ny fanentanam-panomezana. Tamin'ny 16 aogositra lasa teo, tany amin'ny 170 kilaometatra mahery any avaratr'i Anguilla no nisy an'i Erin, izay mitondra rivotra mahery mahatratra 255 km isan'ora, ka mety hahazo ny faritra avaratr'i Leeward Islands, ny Nosy Virijiny Britanika sy Etazonia, Pôrtô Rikô, Haiti ary ny Repoblika Dominikana sy Turks and Caicos . Hijojo ny orana mandritra ny faran’ny herinandro; vinavinaina hivily mianavaratra ny rivo-doza amin'ny alatsinainy ary mety hihena ny heriny satria mety haka rivotra maina kokoa noho ny fivezivezin'ny rivotra. Tahaka ny tamin'ny Rivodoza Beryl tamin'ny taona 2024, naneho hevitra amin'ny hafainganam-pandehan'i Erin niakatra sokajy ny mpamantatra ny toetr'andro, izay hitan'ny fikarohana ho mifandraika amin'ny fikorontanan'ny toetrandro. Manondro ny sampandraharaham-panjakana misahana ny ranomasimbe sy ny Atmôsphera momba ny amin'ity taona ity, izay nanomboka tamin'ny 1 Jona, fa mety hisy 13 ka hatramin'ny 18 antsoina hoe tafio-drivotra hahazo anarana, ka dimy ka hatramin'ny sivy no rivomahery, ary roa ka hatramin'ny dimy mahatratra no hahatratra ny sokajy faha-2 na ny ambonin'izay. Efa nampahafantarina ireo firenena lalovan'ny Rivo-doza Erin fa mety hiteraka tondra-drano sy fihotsahan'ny tany ny fisondrotry ny ranomasina sy ny firotsahan'ny oram-be, na dia manantena aza ny mponina ao aminy fa tsy hiditra an-tanety ny tafiotra. Tamin'ny 16 aogositra lasa teo, tany amin'ny 170 kilaometatra mahery any avaratr'i Anguilla no nisy an'i Erin, izay mitondra rivotra mahery mahatratra 255 km isan'ora, ka mety hahazo ny faritra avaratr'i Leeward Islands, ny Nosy Virijiny Britanika sy Etazonia, Pôrtô Rikô, Haiti ary ny Repoblika Dominikana sy Turks and Caicos . Hijojo ny orana mandritra ny faran’ny herinandro; vinavinaina hivily mianavaratra ny rivo-doza amin'ny alatsinainy ary mety hihena ny heriny satria mety haka rivotra maina kokoa noho ny fivezivezin'ny rivotra. Tahaka ny tamin'ny Rivodoza Beryl tamin'ny taona 2024, naneho hevitra amin'ny hafainganam-pandehan'i Erin niakatra sokajy ny mpamantatra ny toetr'andro, izay hitan'ny fikarohana ho mifandraika amin'ny fikorontanan'ny toetrandro. Manondro ny sampandraharaham-panjakana misahana ny ranomasimbe sy ny Atmôsphera momba ny amin'ity taona ity, izay nanomboka tamin'ny 1 Jona, fa mety hisy 13 ka hatramin'ny 18 antsoina hoe tafio-drivotra hahazo anarana, ka dimy ka hatramin'ny sivy no rivomahery, ary roa ka hatramin'ny dimy mahatratra no hahatratra ny sokajy faha-2 na ny ambonin'izay. Efa nampahafantarina ireo firenena lalovan'ny Rivo-doza Erin fa mety hiteraka tondra-drano sy fihotsahan'ny tany ny fisondrotry ny ranomasina sy ny firotsahan'ny oram-be, na dia manantena aza ny mponina ao aminy fa tsy hiditra an-tanety ny tafiotra.
https://mg.globalvoices.org/2025/08/15/175211/
Ankalazain'ny andro iraisampirenena ho an'ny Reggae ireo hira fantadazan'i Jamaika
2025-08-15T05:44:47
Unknown
Sary nasongadina nampiasana Canva Pro . Manamarika ny faha-31 taonany amin'ny lohahevitra hoe “Fitiavana iray, Feo iray, Andro iray” ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Reggae (International Reggae Day). Miantso ny “hifantohana indray”, ary angamba hamelona indray, ny hira reggae ho fitaovana mitondra ny fikatrohana. Ho ampahany amin’ny fankalazana, nambaran'ny ekipa IRD ny taona faharoan'ny Loka Fiahiana maha-olona Winnie Mandela ,  izay nomena ny Praisiminisitra Mia Mottley avy any Barbados tamin’ity taona ity, noho ny fijoroany hentitra ho amin’ny rariny ara-toetrandro : The award honours individuals whose life’s work reflects the values of love, justice and truth long championed by Reggae music. Prime Minister Mottley’s bold leadership on climate justice has shifted global discourse and given voice to the world’s most vulnerable. Her tireless advocacy, particularly for Small Island Developing States, stands as a powerful call to action. Her message is clear. Her stance is unwavering. Her voice, global. “M anome haja ireo olona ahitana taratra ny lanjan'ny fitiavana, ny rariny, ary ny fahamarinana, izay mampalaza ny mozika Reggae hatry ny ela ny loka. Nampiova ny adihevitra maneran-tany ny fitarihana mahery nataon-dRamatoa Praisiminisitra Mottley momba ny rariny ara-toetrandro, ka nanome feo ho an’ireo marefo indrindra eto ambon'ny tany. Fiantsoana matotra sy mahery vaika hanetsika izao tontolo izao ny fiezahany tsy misy fitsaharana, indrindra ho an’ireo Nosy kely an-dalam-pandrosoana. Mazava ny hafany. Tsy miova ny fijorony. Manako maneran-tany ny feony.” Tamin’ny herintaona, nankalazaina tany an-drenivohitr’i Jamaika ny faha-30 taona, nahitana seho an’habakabaka tamin’ny alalan’ny drone sy hetsika hafa. Ity tanàna ity no voatendrin’ny UNESCO ho Tanànan’ny Mozika tamin’ny taona 2015. Nankalazaina maneran-tany ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Reggae , hatrany amin’ny tanàna mamirapiratra toa an’i Las Vegas, izay nanokafana tamim-pomba ofisialy ilay toerana vaovao natao hanintonana antsoina hoe “Bob Marley Hope Road” : The Welcome to Las Vegas sign is glowing in reggae colors for International Reggae Day and the grand opening of @BMHopeRoad at Mandalay Bay!🎶 @CommishJGibson and Shacia Päyne Marley lit the sign to honor Bob Marley’s legacy and welcome this vibrant new attraction to the Strip. pic.twitter.com/wHgOXjm4pU — Clark County Nevada (@ClarkCountyNV) July 1, 2025 ” Namirapiratry ny loko reggae ny famantarana tongasoa eto Las Vegas ho fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny Reggae sy ny fanokafana ofisialy ny @BMHopeRoad ao Mandalay Bay!🎶 Nampirehitra ny famantarana i @CommishJGibson sy Shacia Päyne Marley ho fanomezam-boninahitra an’i Bob Marley sy handraisana ity toerana manintona vaovao ity ao amin’ny Strip.” pic.twitter.com/wHgOXjm4pU … Ka hatrany Nairobi, Kenya: To commemorate international Reggae day @HomeboyzRadio wamepiga vibes the whole day nakwambia. Wazito Sana wale. pic.twitter.com/UFeBXCPbJ2 — Mr. BeyondPrescription (@_Kivunja) July 1, 2025 ” Nitondra mozika sy “vibes” tao nakwambia nandritra ny tontolo andro ny @HomeboyzRadio h o fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny Reggae, Wazito Sana wale. pic.twitter.com/UFeBXCPbJ2 Nanana traika maharitra teo amin'ny mpitendry mozika ao Malaysia ny mozika reggae : Sasi The Don: from Segambut to the world In conjunction with International Reggae Day, FMT Lifestyle speaks with the popular artiste to learn more about his musical journey. Story by: Sheela Vijyan Shot by: Fauzi Yunus & Muhammad Akif Irfan Presented by: Theevya Ragu Edited… pic.twitter.com/aZLdHG4ieE — Free Malaysia Today (@fmtoday) July 1, 2025 Sasi The Don: avy eto Segambut ka hatramin'ny sehatra maneran-tany Ho fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny Reggae, niresaka tamin’i FMT Lifestyle ilay mpanakanto malaza momba ny dian-kira sy ny fivoarany eo amin’ny sehatry ny mozika. Nosoratan'i : Sheela Vijyan Naka sary i : Fauzi Yunus sy Muhammad Akif Irfan Natolotr'i : Theevya Ragu                                                                                  Nanatontosa … pic.twitter.com/aZLdHG4ieE Nanatevin-daharana ny fankalazana koa ny Tranombokim-bahoaka ao Greensboro, North Carolina : Your Greensboro Public Library card gives you access to Freegal Music, a FREE music service. 🎶 Start listening today ➡ https://t.co/HNRHMDeKD9 International Reggae Day has been celebrated on July 1 in Kingston, Jamacia's capital, since 1994. [Source: https://t.co/TANkdeQZyh ] pic.twitter.com/L1K5WL50ou — Greensboro Public Library (@GSOLibrary) July 1, 2025 “Ahafahanao miditra hira maimaimpoana ny karatra maha-mpikambana amin'ny Tranombokim-bahoaka ao Greensboro — tolotra mozika maimaimpoana.” 🎶 Atombohy anio ny fihainoana ao amin'ny ➡ https://t.co/HNRHMDeKD9 Efa nankalazaina isaky ny 1 Jolay ao Kingston, renivohitr’i Jamaika, hatramin’ny taona 1994, ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Reggae. [Loharano: https://t.co/TANkdeQZyh ] pic.twitter.com/L1K5WL50ou Tao an-tanindrazana any Jamaika, ampifaliana ny nifantohana tamin’ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny Reggae ny an'ny radio maro, indrindra fa ny Irie FM, radio malaza miorina ao Ocho Rios, izay nilaza tamin'ny fomba ofisialy ho tobin'ny reggae tamin’ny taona 1990, ary “mbola mitazona izany karazana mozika izany ho lohalaharana sy ivony hatramin’izao”. Nanome voninahitra an’i Mutabaruka , poeta dub sady mpanolotra fandaharana ao amin’ilay radio, izy ireo, sy ireo olo-malazan’ny reggae hafa, nandritra ny hetsika mivantana natao tany Kingston ambonitanàna, iray amin’ireo fety maro nokarakaraina nanerana an’i Kingston tamin’ny 1 Jolay. Namaritra amin’ny fomba mahafinaritra ny Irie FM fa ny mozika reggae dia “fanahy… tsy hoe feo fotsiny, fa tena fanahy mihitsy” : “Reggae music is a spirit.” It moves through generations, whispers through struggle, and dances in our joy. This isn’t just sound, it’s soul. Happy International Reggae Day from Irie FM. #InternationalReggaeDay #ReggaeIsASpirit #IrieFM #OneLove #RootsRockReggae pic.twitter.com/400CUsQto9 — IG: iriefmofficial (@IRIE_FM) July 1, 2025 “Ny mozika reggae dia fanahy.” Mozika tsy tontan'ny ela, mitsoka am-pahanginana amin’ny fotoan-tsarotra, ary mandihy miaraka amin’ny fifaliantsika.                                                            Tsy feo fotsiny izy io, fa fanahy. Tratry ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Reggae avy amin’ny Irie FM! #andro reggae iraisam-pirenena #ReggaeDiaFanahy #IrieFM #fitiavana tokana #RootsRockReggae pic.twitter.com/400CUsQto9 Etsy an-kilany, nizara ny antsipirihan’ireo boky maro navoakany momba ny reggae ny University of the West Indies Press : 🎶 Celebrate #InternationalReggaeDay with our recommended reads! Explore reggae’s roots, revolution & global influence. 📚 https://t.co/thyfY5pC2W 🌍 One Love. One Voice. One Day. #UWIPress #OneLove #ReggaeDay #ReggaeHistory #IRD2025 #CaribbeanCulture pic.twitter.com/RAIhmEQmto — UWIPRESS (@UWIPRESS) July 1, 2025 ” 🎶 Ankalazao #AndroIraisam-pirenena ho an'ny Reggae miaraka amin'ireo ampirisihanay hovakiana! Trandraho ny fototry ny reggae, ny fivoarany sy ny fiantraikany manerantany.                                                                                                                                                                                                                                                                  📚 https://t.co/thyfY5pC2W 🌍Fitiavana iray. Feo iray. Andro iray. . #UWIPress #FitiavanaIray #Reggae #Tantaran'ny andron'nyReggae #IRD2025 #CaribbeanCulture pic.twitter.com/RAIhmEQmto — UWIPRESS (@UWIPRESS) July 1, 2025 Niantsafa indray maraina tamin’ny fahitalavitra iray tao Jamaika i Andrea Davis , izay namorona ny andro iraisampirenena ho an’ny Reggae (IRD). Etsy ankilany, any amin’ny firenena sasany kosa, nifantoka tamin’ny herin’ny mozika reggae amin’ny fanovàna tsara ny fikambanana miaro zon’olombelona sy ny fiarahamonim-pirenena. Nisioka ity fikambanana poloney iray ity : International Reggae Day, which takes place every year on 1 July, is a worldwide celebration of Jamaica’s gift to the world, reggae music. #ReggaeDay #MusicAgainstRacism https://t.co/V5YbPcLSJc pic.twitter.com/EerxFvC8NM — NEVER AGAIN/NIGDY WIĘCEJ (@StowNIGDYWIECEJ) July 1, 2025 “Ankalazaina manerantany, isaky ny 1 jolay, ilay fanomezan’i Jamaika ho an’izao tontolo izao na ny andron'ny Reggae iraisampirenena.” Amin'ny fifantohan'ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Reggae amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny tontolo iainana amin’ity taona ity dia misy aingam-panahy avy amin’i Wangari Maathai , efa nahazo ny loka nobel ho an’ny fandriampahalemana, andrisihana ny mpanjohy azy ihany koa mandritra ny andron'ny reggae erantany mba “hambolena hazo reggae” ho fanohanana ny haika hazo arivo miliara ataon'ny Firenena Mikambana. Manana hery maneran-tany hatrany ny mozika reggae, satria mitondra hafatra mahasintona olona maneran-tany. Nitondra fikatrohana, zavamisy nasongadina nandritra fankalazana azy tamin’ity taona 2024 ity izy io, anisan’izany ny anjara toerany tamin’ny ady hanoherana ny apartheid. Azo jerena ho fiantsorohana ny hafatra manerantany momba ny fitiavana, ny firaisankina, ary ny fandriampahalemana izay nentin’ny mozika reggae hatrizay ny lohahevitra amin’ity taona ity izay anasongadinana ny tontolo iainana sy ny fikatrohana. Angamba handray an-tanana hanohy ny fanamby hanandratra sy hitondra io “fanahin’ny reggae” io hatrany ny indostrian’ny mozika Jamaikana amin’ny ankapobeny sy ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana izao.
https://mg.globalvoices.org/2025/08/10/175379/
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #29
2025-08-10T05:26:20
Unknown
Pikantsarin'ny fantsona YouTube an'i Matyáš Peterka Tsy voatery hitovy hatrany ny endrika teny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana” izahay manasongadina ireo voambolana na fomba fiteny manavaka ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo izay tsy mety adika ka tazonina ho teny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna saingy miova tanteraka ny heviny indraindray. Hita ato avokoa ireo fizaràna rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole . Anio, ireto fomba fiteny sy voambolana telo ireto no nosafidianay: Kvapík: Voambolana tsheky manoritra dihy haingana ataon'olona tsiroaroa ary dihy an-tanàndehibe nampiharina indrindra tamin'ny taonjato faha-19. Nitsontsorika avy amin’ny voambolana frantsay hoe galop izy io, izay manoritsotitra ny fomba fandehan-tsoavaly sy ireo endrika dihy sasantsasany . Mandravaka izany hafainganan'ny dihy kvapík izany ity horonantsary ity : Popurrí: Nalaina avy amin'ny teny frantsay hoe ‘pot pourri’ ity teny espaniola ity, izay nanondro fangaro tany am-boalohany. Voamarina ho teny frantsay tamin'ny taonjato faha-16 tao amin'ny lahatsoratr'i Rabelais ary manondro: un ragoût, comprenant plusieurs sortes de viandes et de légumes mélangés. Notez qu'il y avait déjà la notion de mélange hétérogène. On comprend bien la présence de pot, puisque le mot désignait déjà ce grand récipient suspendu dans la cheminée où l'on préparait la tambouille familiale. Mais pourquoi pourri ? Cela vient simplement du fait qu'au XVIe siècle, étaient « pourris » les aliments très ramollis et éclatés à la suite d'un excès de cuisson. lasopy, ahitana karazan-kena sy legioma mifangaro. Mariho fa efa hita ny hevitra fangaro isankarazany. Azo tsara ny fisian'ny vilany, satria nentina nanondroana fitoeran-javatra lehibe nihantona teo amin'ny fivoahan-tsetroka hikarakarana fahandroan-tsakafom-pianakaviana ilay voambolana. Fa nahoana no pourri ? Ny zava-misin'ny taonjato faha-16, ny sakafo miboledaka sy mipasaka noho ny fahandroana maharitra loatra no noheverina ho “ pourri “. Amin'ny teny espaniola, manondro tsirinkevitra maromaro ny ‘popurrí’, toy ny tavoahangy vera feno hanitra ho fampangahatsiatsiahana ny ao anatin'ny lalimoara, sy andian-kira navondrona ho singa tokana, toy ny amin'ity horonantsary meksikana ity: Fete: Nalaina mivantana avy amin'ny teny frantsay hoe “fête” io teny anglisy io. Amin'ny teny anglisy “ofisialy” ny dikany dia manao hoe “manome voninahitra” na “midera” ao anaty odidina mihajahaja. Any Karaiba miteny anglisy, tsy ofisialy loatra ny voambolana ary midika kokoa hoe “manao fety”, indrindra raha entina anondroana karnavaly malaza, araka ny hita amin'ireo rakikira “ Feting Family ”, “ Mr Fete ”, ary “ Feting and Brass ”. Azo hazavaina amin'ny alalan'ny tara-panintonan ‘ireo nosy miteny frantsay ao amin'ny faritra sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin'izy ireo ny nahatonga ny fampiasana io teny io. Taratr'ireo karazam-panitonana maro ao amin'ny faritra ny karnavaly — Afrikana, Eoropeana, Aziatika, ary teratany — ary hita amin'ny singam-piainana rehetra manomboka amin'ny mozika ka hatramin'ny sakafo. Raha manana voambolana na fomba fiteny hozaraina ianao ho hita anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org na jean.dedieusovon@globalvoices.org [teny frantsay]
https://mg.globalvoices.org/2025/08/04/175283/
Vehivavy mainty hoditra sambany voafidy ho ao anatin'ny Akademian'ny literatiora breziliàna tato anatin'ny 128 taona
2025-08-04T15:47:51
Unknown
Najoro tamin'ny 1897 , taoriana kelin'ny nahalasa ho repoblika an'i Brezila, fikambanana iray tsy mitady tombony ara-bola ny akademia, manokan-tena ho amin'ny “fampiroboroboana ny fiteny sy ny literatiora nasiônaly,” araka ny ambaran'ny tranonkalany . Ankehitriny, manana mpikambana 40 mavitrika izy ary vahiny 20 mpiara-mitan-tsoroka. Na eo aza ny maha-firenena safiotra an'i Brezila, ahitana vahoaka izay vehivavy ny mihoatra ny antsasa-manila ary ny ankamazoany dia misora-tena ho taranaka avy amin'ny Afrikàna (olona avy amin'ny foko mainty na safiotra araka ny fomba fitiliana nampiasaina nanaovana fanisàm-bahoaka), tsy afaka nitarafana hatrany ny tena firafitry ny mponina ao aminy ny isan'ireo seza ao amin'ilay andry. Momba ny maha-zavadehibe ny nifidianana an'i Gonçalves, i Merval Pereira filohan'ny ABL no niteny nanoloana ny Akademia, nilaza fa ny fanendrena azy dia nanampy ‘‘hanaporofoana fa ny ABL dia mikendry ny hampitombo ny fisoloantenany manaraka ny miralenta, ny firazanana ary izay lafin-javatra rehetra maneho ny kolontsaina breziliàna.’’ Queremos ser reconhecidos como uma instituição cultural que represente o Brasil, a diversidade brasileira. Ela aumenta nossa vontade de estar sempre presente nos movimentos sociais relevantes. Tianay ny mba ho ankatoavina ho toy ny andrimpanjakana ara-kolontsaina maneho an'i Brezila, ny fahasamihafàna breziliàna. Izy no mampitombo ny fahavononanay hiatrika / ho hita anatin'ireo hetsika sôsialy misongadina. Nambaran'i Gonçalves fa ny literatiora no solomaso nampahafantatra azy tamin'izao tontolo izao sy ny hirika ho amin'ireo kolontsaina isankarazany, sady nomarihany hoe: Que eu não seja a única mulher negra. Mais do que a representatividade que o momento pede, é importante a produção de presença. Isso que gostaria de fazer também dentro da ABL. Estou chegando, conhecendo e tentando me entender com os colegas e como a Academia funciona. Me encanta muito a possibilidade de trabalhar institucionalmente pelo livro, num país onde perdemos leitores. Antenaiko fa tsy ho izaho irery no ho vehivavy mainty hoditra [eto]. Mihoatra noho ny fisoloantena takian'ity fotoana ity, zavadehibe ny mamorona fanatrehana. Izany no iriako hatao ao anatin'ny ABL. Tonga eto aho, mianatra sy miezaka hahatakatra ny fomba ataon'ireo mpiaramiasa amiko sy ny asan'ny Akademia. Talanjona aho amin'ireo hirika ananana hiasàna ho an'ny boky avy ao anatina andrimpanjakana ao anatina firenena iray izay efa andaozan'ny mpamaky antsika. Manasa anao hijery ato raha mila fanazavàna misimisy kokoa momba ity fanentanana ity. Ny asany tena fantadaza indrindra dia ilay tantaram-pitiavana ara-tantara “Um defeito de cor,” izay voafidy ho iray amin'ireo boky breziliàna tsara indrindra ho an'ny taonjato faha-21, fisafidianana nataon'ireo mpitsara nasain'ny gazety Folha de S. Paulo tamin'ny volana May 2025. Tamin'ny 2006 no natonta voalohany, nahalafosana dika nihoatra ny 150.000 izy io ary tonga tamin'ny fanontàna azy fanin-41 . Tamin'ny 2024, lasa aingampanahy izy nakàna ny lohahevitry ny diaben'ny Portela, iray amin'ireo sekoly goavana fianarana samba amin'ny fetiben'i Rio de Janeiro. Tanaty 951 pejy izay nilàna taona dimy ny fikarohana sy fanoratana azy , i Gonçalves no mitantara ny tantaran'i Kehinde, vehivavy afrikàna teraka tao amin'ny fanjakan'i Dahomey (niova anarana ho Benin tamin'ny 1975), izay nobaboina teo amin'ny fahavalo taonany ary naondrana ho andevo tao Brezila. Mitantara ny zotram-piainany ilay boky, anisan'izany ny hadisoam-panantenana, ny fijaliana, ny tantaram-pitiavany, ny fitadiavany zanaka lahy, ny maha-mpino azy ary ny nahatonga azy nandao io finoana io sy ny nahazoany ny fahalalahany. Toa hoe olona iray tena nisy, ary nanana tantara, no aingam-panahy nakàna ilay olo-manga, dia i Luísa Mahin , izay misy fahabangana ny rakitra ara-tantara momba azy, araka ny tatitry ny DW Brasil . Heverina fa Mahin dia nandray anjara tamin'ireo fitroarana sy fikomiana nanan-tantara nataon'ireo nandevozina nandritra ny vanimpotoana fanjanahana tao Brezila tamin'ny taonjato faha-19, toy ilay fikomiana tao Malês , izay nampivondrona ireo Afrikàna andevo marobe, anisan'izany ireo miozolomàna maro, niady ho amin'ny fanafoanana ny fanandevozana tao Bahia tamin'ny 1835. Heverina ihany koa fa i Mahin no renin'i Luís Gama , izay taty aoriana dia lasa olo-malazan'ny fanafoanana ny fanandevozana tao amin'ilay firenena. Na i Gonçalves izy tenany aza dia niantso ilay bokiny ho ‘‘ tantaram-pitiavana tena marina ,’’ araka ny tantarain'ny mpampahalala vaovao G1: ‘‘Um Defeito de Cor’’ é a história da luta preta no Brasil incorporada em uma mulher que enfrentou os maiores desafios imagináveis pra continuar viva e preservar suas heranças e raízes. “Ny tsy fetezan'ny loko” dia tantaran'ny tolon'ireo Mainty Hoditra tao Brezila notarafina avy amina vehivavy iray izay niatrika ireo fanamby goavana azon'ny saina eritreretina mba hitahirizana ireo lovany sy faka niaviany, ary mba ho tafavoaka velona.
https://mg.globalvoices.org/2025/07/03/175082/
Soratra am-bato Maya K'iche’ mampifandray indray ny zavakanto sy ny fiteny: tetikasan'i Wilmer Aram Ajú ao Guatemala
2025-07-03T06:23:03
Unknown
fandravahana nataon'i Marco Martínez sy ny ekipan'i Rising Voices, nahazoana alalana. Fantaro ireo mpandray anjara amin'ny Programa Catalyste ho an'ny fikatrohana nomerika ho an'ny teny indizeny any Guatemala! Mampivondrona ireo mpandray anjara avy amin'ny faritra samihafa izay manana tetikasa mifandraika amin'ny fampiasana, fanamafisana, famelomana indray, ary/na fampiroboroboana ny teny indizeny amin'ny fampitam-baovao sy fitaovana nomerika, ary amin'ny alalan'ireo dingana izay misy sy mahasoa ny vondrom-piarahamonina misy azy ny fandaharan'asa, tarihin'ny Rising Voices . Each participant receives a stipend, peer support, and opportunities for dialogue with people from other regions, languages, and worldviews, as well as with participants in the Mayan Languages ​​program from Mexico and Colombia. Samy mahazo tsikalakalam-bola ny mpandray anjara tsirairay, sy fanohanan'ny mpiara-mianatra, ary hirika ifampiresahana amin'ny olona avy amin'ny faritra hafa, fiteny ary fomba fijery eran'izao tontolo izao, sy amin'ireo mpandray anjara amin'ny fandaharana Teny Maya avy any Meksika sy Kolombia. Rising Voices (RV): Ahoana ny fomba ilazanao ny tenanao? Wilmer Aram Ajú : Mi nombre es Wilmer Aram Ajú y suelo presentarme también con el nombre Saq Imox (el apellido de mi familia que no heredé pero que quise adoptar también). Soy de la aldea El Novillero, Santa Lucía Utatlán, Sololá, Guatemala y soy mayahablante k’iche’ . Estudié la Licenciatura en Arte en la Universidad San Carlos De Guatemala y soy profesor de educación musical. Me gustan las artes gráficas y la cerámica, soy serigrafista, músico y me encanta relacionar cada cosa que hago con mi cultura k’iche’. Wilmer Aram Ajú :  Wilmer Aram Ajú no anarako, ary matetika koa aho no mandeha amin'ny (anarana) Saq Imox (anaran'ny fianakaviako, izay tsy nolovaiko fa tiako horaisina ihany koa). Avy any an-tanànan'i El Novillero, Santa Lucía Utatlán, Sololá, Guatemala aho ary miteny Maya K'iche’ . Nianatra zavakanto tao amin'ny Oniversiten'i San Carlos tao Guatemala aho ary mampianatra mozika. Tiako ny zavakanto an-tsary sy ny seramika, mpanonta amin'ny efijery lasoà aho, mpitendry mozika, ary tiako ny mampifandray izay rehetra ataoko amin'ny kolontsaiko K'iche. Photo of Wilmer Aram Ajú, shared with his permission. RV: Inona no tianao hozaraina amin'izao tontolo izao momba ny fiteny sy ny zara-taninareo izao? Wilmer Aram Ajú : Mi comunidad es maya hablante k’iche’ y tenemos mucha tradición cultural tangible e intangible, tenemos esculturas de todos los tamaños que nos dejaron nuestros abuelos y abuelas. Nuestra cultura está muy arraigada al conocimiento k’iche’. Me gustaría que nuestro idioma sea usado no sólo para comunicarnos verbalmente, sino también en murales, canciones, e incluso en rotulación en espacios públicos. Así mismo, que seamos más conscientes que nuestro idioma tiene su propio sistema de escritura que llamamos tz’ib’ y está lleno de historia y sabiduría. Wilmer Aram Ajú : Vondrom-piarahamonina Mayana miteny K'iche’ ny vondrom-piarahamonina misy ahy, ary manankarena vakoka ara-kolontsaina azo tsapain-tanana sy tsy azo tsapain-tanana. Manana sary sokitra amin'ny habeny rehetra navelan'ny raibe sy renibenay ho anay izahay. Mamaka lalina amin'ny fahalalana K'iche ny kolontsainay. Tiako ny teninay ho ampiasana amin'ny fifampiresahana am-bava, miampy sary an-drindrina, hira, ary eny fa na dia amin'ny famantarana eny amin'ny seha-bahoaka aza. Tiako koa izay hahatsapa kokoa fa manana rafitra anoratana azy manokana ny fiteninay, izay antsoina hoe Tz'ib’ , ary feno tantara sy fahendrena ao aminy. Soratra am-bato zavakanto Maya K'iche’ avy amin'i Saq Imox, nozaraina araka ny alalana nomeny. RV: Nofinofy tahaka ny ahoana no tianao tanteraka amin'ny fiteninao na anjotra na ivelanjotra? Wilmer Aram Ajú : Una problemática muy grande en mi comunidad es que mi generación es la última que habla nuestra idioma. Yo tengo 31 años. Las personas más jóvenes entienden un poco, pero las infancias ya no lo hablan. Por eso, me parece muy importante trabajar por el idioma maya’ k'iche’ a través del arte, la música, la pintura y mostrar a las nuevas generaciones que se pueden crear muchísimas cosas con nuestro idioma. Anteriormente he realizado talleres presenciales, pero me he dado cuenta que solo se queda con las personas que participan en el taller, y quisiera que el compartir llegue a más personas de mi comunidad y mi municipio. Quiero que, a través del sistema de escritura maya se conecte el idioma y el arte. Que las personas que ya no hablan mucho nuestro idioma, comprendan que es muy importante conocerlo, abrazarlo, convivir y materializarlo a través de la escritura antigua. Wilmer Aram Ajú : Ny olana lehibe iray eo amin'ny fiaraha-monina misy ahy dia ny taranaka misy ahy no farany miteny ny fiteninay. 31 taona aho. Mahazoazo izay lazaina ny zandry, fa tsy miteny azy intsony ny kilonga. Izany no antony iheverako fa tena zava-dehibe ny miasa ho an'ny fiteny Maya K'iche’ amin'ny alalan'ny zavakanto, mozika, sary hosodoko, ary hanehoana amin'ny taranaka vaovao fa zavatra maro no azo foronina amin'ny fiteninay. Efa nanao atrikasa mivantana amin'ny olona aho teo aloha, saingy tsapako fa mijanona ho an'ny olona mandray anjara ihany izany, ary tiako ny hizara izany amin'ny olona maro kokoa ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy sy ny kaominina misy ahy. Tiako ny fiteny sy ny zavakanto hifandray amin'ny alalan'ny rafi-panoratana Maya. Tiako ny olona tsy miteny firy intsony amin'ny fiteninay hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana azy, ny fandraisana azy, ny fiainana aminy ary ny fametahana azy amin'ny alalan'ny soratra tranainy. RV: Inona ny tetikasanao amin'ity Programa Fanoitra (Catalyst) ity? Wilmer Aram Ajú : Facilitaré talleres a infancias, jóvenes y adultos sobre el sistema de escritura maya antigua, no solo para que conozcan los glifos, sino a través de ello, generar más curiosidad por el idioma y su relación con el arte maya. Rotularemos espacios públicos utilizando nuestra lengua y nuestro sistema de escritura, también publicaremos infografías y haremos exposiciones sobre la representación en tz’ib’ de elementos importantes de la vida cotidiana. Wilmer Aram Ajú : Hohamoraiko ny atrikasa momba ny rafitra fanoratana Maya fahiny ho an'ny ankizy, tanora ary olondehibe, tsy amin'ny hahafahan'izy ireo mianatra ny sora-bato ihany fa mba hisian'ny fahalianana bebe kokoa amin'ny fiteny sy ny fifandraisany amin'ny zavakanto mayana. Hanome marika toerana ankalamanjana mampiasa ny fiteninay sy ny fomba fanoratanay izahay. Hamoaka torohay antsary ihany koa izahay ary hanao fampirantiana momba ny endri-panehoana ireo singa manan-danja amin'ny fiainana andavanandro amin'ny Tz'ib’ . Zavakanto sokitra soratra amin'ny vato Maya K'iche’ nataon'i Saq Imox, nozaraina araka ny alalana avy aminy. RV: Nahoana no zava-dehibe aminao ny mamorona sy mamakivaky ireo dingana amin'ny fampiasana, fanamafisana, famelomana indray ary/na fampiroboroboana ny fiteninao amin'ny alàlan'ny fampitam-baovao sy fitaovana nomerika? Wilmer Aram Ajú : Porque las herramientas digitales están cada vez más presentes en nuestra cotidianidad y la mayor parte de la información que absorbemos está en este medio. Es importante utilizarlas a nuestro favor promoviendo nuestros idiomas. Wilmer Aram Ajú : Satria miha ampiasaina amin'ny fiainantsika andavanandro hatrany ny fitaovana ankihy, ary raisintsika amin'ny alalan'ity fitaovana ity ny ankamaroan'ny torohay. Zava-dehibe ny fampiasana azy ireny ho amin'ny tombontsoantsika ho fampiroboroboana ny fitenintsika. RV: Inona no holazainao izay mampientanentana anao amin'ny fizarazarana ity dingana ity amin'ireo hafa mpiteny teratany ao Goatemalà? Wilmer Aram Ajú : Me emociona mucho conocer los proyectos realizan en otras comunidades para fortalecer su idioma, llevarme esas ideas en mi comunidad y si me es posible, replicarlas y crear más actividades para revitalizar el idioma maya k’iche’. Wilmer Aram Ajú : Tena faly aho mianatra momba ireo tetikasa tanterahina any amin'ny vondrom-piarahamonina hafa hanamafisana ny fiteniny, hitondra ireo hevitra ireo amin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy, ary raha azo atao, ny manamaro azy ireo sy manao hetsika maro kokoa hamelomana indray ny teny Maya K'iche’. RV: Inona no tianao holazaina amin'ireo hafa mpiteny Maya Ki'che’ amin'ny fanohizana ny fitenenana sy ny fanamafisana ny fiteniny? Wilmer Aram Ajú : Rutzil iwach iwonojel, ri un b’i are Saq Imox, kawaj kinsik’ij konojel ri q’ojomanelab’, si aj tz’ib’ab’, ri ajb’ix, Qab’ana ri qachak pa qach’ab’al, kojb’ixonoq pa qach’ab’al, kojtz’ib’anoq pa qach’ab’al, kojch’awoq pa qach’ab’al. Ri oj maya’ winaq oj k’aslik rumal ri qach’ab’al, ri qati’t qama e k’aslik pa le qatzij.
https://mg.globalvoices.org/2025/07/01/174891/
Ny mety asehon'ny tsy fahatongavan'ny artista Vybz Kartel hihira tao Trinidad amin'ny fahatezàn'ny fampisehoana karaibeana
2025-07-01T17:25:29
Unknown
Ilay Jamaikana kintan'ny dancehall Vybz Kartel (Adidja Palmer) nanao fampisehoana tao amin'ny kianjam-pirenena any Guyana, 24 Mey 2025. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube nataon'i Selector Andre Entertainment. Fampiasana ara-drariny. Nihomankomana indray ny vondrom-piarahamonina soca tao Port of Spain, renivohitr'i Trinite, tamin'ny faramparan'ny volana mey 2025 hahita indray  an'i Vybz Kartel (Adidja Palmer) avy ao Jamaika, izay nokinasa hiseho amin'ny One Caribbean Music Festival ao amin'ny Queen's Park Savannah . Saingy tsy niakatra an-tsehatra mihitsy ilay voalohan-daharana amin'ny afisy ary, raha ny marina, dia tsy nigadona tao amin'ny nosy mihitsy. Ora maromaro talohan'ny fampisehoana, nanomboka niely ny feo fa niala i Kartel, tanatin ‘ireo antson'ny governemanta vao voafidy tao amin'ny firenena hanaovan'ilay artista dancehall hetsika madio kokoa, sy ny tsaho fa tsy nanaja feno ny fifanarahana ara-bola ny mpikarakara. Namaly io teboka farany io ny mpikarakara, ary nilaza fa efa nandoa 1,1 tapitrisa dolara tamin'ny sarany 1,3 tapitrisa dolara nifanarahana. Raha topaza-maso, dia toy ny raharaha tsi-fitoviam-pijery amin'ny resaka fifanarahana izany. Na izany aza, mahatonga fanontaniana lalindalina kokoa mihoatra noho ity resahina ity izao tranga izao: ahoana no aharetan'ny môdelim-pampisehoana ara-barotra amin'izao fotoana eo amin'ny tsena karaibeana? Tsy vola kely izany iray tapitrisa dolara US izany — ary mihoatra ny fito tapitrisa TTD izany ao Trinite. Manomboka amin'ny TTD 700 (eo ho eo amin'ny 103 dolara US) ny vidin'ny tapakila amin'ny fetiben'ny mozika amin'ny fidirana tsotra ka hatramin'ny TTD 20.000 mahery (manakaiky ny 3.000 dolara US) raha hiditra premium. Efa maro amin'ireo mpankafy ireo no olom-pirenena kely fidiram-bola sady vitsy mponina, ary tsy mitovy amin'ny an'i Etazonia na Eoropa ny ankapobeny ny sandan'ny fidiram-bolan'ny olona ankapobeny sy ny haben'ny tsena. Misy zava-mifaningotra mahatonga fihenjanana lalina kokoa eto: matetika ireo artista sy mpikarakara lanonana mampihatra rafitra fandoavam-bola avy amin'ny ila-bolantany avaratra tsy zakan'ny tsena ao an-toerana. Fifanolosoloana ara-toekarena mety hahatonga ny mpijery ho marefo sy ho very fitokisana. Azontsika tsiahivina ny fisalasalàna tamin'ilay Nizeriana ikoizana amin'ny “Afrobeats” Burna Boy sy i Popcaan , ilay Jamaikana kintan'ny dancehall, niseho tany Trinite nandritra ny fampisehoana iray tamin'ny Desambra 2022. Ary vao haingana izay, nandiso fanantenana ny mpijery tany Trinite roa volana lasa izay ny mpihira Amerikana R&B Keyshia Cole . Voalaza fa niantraika ihany koa amin'ny fampisehoan'i Kartel amin'ny Fetiben'ny Mozika St. Kitts tamin'ny faran'ny volana teo ny tsi-fisehoana tao amin'ny Fetiben'ny Karaibeana Iray tao Trinidad. Tsy nanao fampisehoana araka ny tokony ho izy tao Costa Rica ihany koa ilay mpanao dihy tamin'ny 3 Mey, voalaza fa noho ny olana tsy nahavitan'ilay mpikarakara ara-potoana ny fahazoan-dàlana rehetra ilaina, na dia nivoady ny hiverina aza izy. Misy ihany koa ny resaka fototra, miompana kokoa amin'ny maha-olombelona: hatraiza ny halehiben'ny mpanakanto isam-paritra, indrindra ireo izay nahita fahombiazana manerantany, mahatsapa adidy amin'ny mpihaino azy – ireo vondrom-piarahamonina nanainga fanahy azy sy mikolokolo ny asany sy ny talentany ve? Nanome ho an'izao tontolo izao ny zava-drehetra ny mozika Karaibeana, manomboka amin'ny reggae ka hatramin'ny soca mipaka amin'ny dancehall , kanefa matetika loatra, no tsy taka-bidin'ireo mpankafy an-tanindrazana ny kolontsaina nampian'izy ireo. Amin'ny maha-mpanakanto sady mpikarakara lanonana ny tenako, eo amin'ny tontolon'ny dihy, dia vavolombelon'ny môdely hafa aho. Teto Trinidad, nitondra tarika mpandihy Amerikana fanta-daza eo amin'ny sehatra iraisampirenena izahay mba hanao fampisehoana amin'ny tapakila mitentina TTD 150. Nitaky fiomanana volana maromaro, famatsiam-bola amin'ny famoronana ary fanoloran-tena manao izay haha-takabidy ny fidirana sy ny hakanton'ny fampisehoana izany. Angamba izahay nampiofanina, tamim-pahatsontsàna (naïveté) na araka ny rariny, ary nisy fotoana nahafatiantoka anay ara-bola, mba hihevitra ny zavakanto ho toy ny zava-tsoa ho an’ny olom-pirenena, fa tsy vokatra ara-barotra fotsiny. Mendrika tsidihina io idealy io. Samy mandray soa avy amin'ny fakàna sary an-tsaina indray ny fifanaraham-pampisehoana, tsy amin'ny lafiny ara-pitsarana ihany, fa amin'ny lafiny ara-moraly koa na ny mpanakanto na ny mpikarakara fampisehoana manerana ny sehatry ny mozika Karaibeana. Hanome voninahitra ny zava-misy ara-toekarena ao amin'ny faritra sy ny fifamatorana ara-kolontsaina eo amin'ny mpanakanto sy ny mpijery ny môdely manaja sy mateza kokoa. Tsy voatery hanaiky fa tsy maintsy alain'ny habaka fampisehoana Karaibeana tahaka ny toekaren'ny tontolon'ny haitraitra manerantany. Misy ny habaka ho an'ny karazana sehatra hafa — habaka izay ny fiarahamonina, ny fikarakarana ary ny kolontsaina aloha no voalohany. Izany no mendrika anontaniana rehefa mitsahatra ny mozika.
https://mg.globalvoices.org/2023/12/21/167469/
Ny fomba fampiasàn'ny sambo misoratra anarana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny sainam-pirenena hafa hanafenany ny jono tsy ara-dalàna, tsy misy tatitra ary tsy voafehy ataony ao Afrika Andrefana
2023-12-21T15:58:04
Unknown
Sambo mpanjono indostrialy manofahofa ny sainan'i Kamerona. Sary an'ny Multimedia Solutions, 2023, nampiasaina nahazoana alalana. Ny iWatch Africa no namoaka voalohany ity lahatsoratra ity, ary dika nohafohezina no averin'ny Global voices avoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana mifampizara votoaty. Abaribarin'ny fanadihadiana iray nataon'ny Gideon Sarpong niarahany tamin'ny Ocean Reporting Network an'ny Ivontoerana Pulitzer ary asongadiny ny fomba ataon'ireo sambo misoratra eo amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna (UE) ampiasàn-dry zareo ny sainam-pirenen'ny hafa mba hanafenany ny fomba fanaony manao jono tsy ara-dalàna, tsy aharaisana tatitra no sady tsy manarana fepetra [Illegal, Unreported, and Unregulated (IUU)] ataony ao Afrika andrefana. Araka ny vokatr'io fanadihadiana io, ny sambo Pilot Whale , fantatra koa amin'ny anarana hoe Mikhail Verbitskiy , dia anisan'ireo sambo marobe voarohirohy amin'ny fanaovana IUU, amin'ny fitrandrahana amim-pahakingantsaina ny “fanevan'ny fifanekena”. Na dia manofahofa sainam-pirenena kameroney aza, raha ny marina io sambo io dia orinasa maro miorina ao Eorôpa no tompony sy mitrandraka azy . Tamin'ny 2020, tao anaty fanadihadiana iray ny Environmental Justice Foundation (EJF), fikambanana erantany misahana ny fanarahamaso ireo fanararaotana ara-toekarena sy ara-tontolo, dia nahatily ny sainam-pirenena kameroney ampiasaina ho toy ny « fanevan'ny fifanekena ». Io fomba filaza io [fr], ampiasaina betsaka ao anatin'ny sehatry ny indostria an-dranomasina, dia manondro toejavatra iray ahitàna sambo mampiasa sainam-pirenena hafa ankoatra ny tena niaviany marina. Nandritra ilay fanadihadiana, nisy ireo manampahaizana momba ny an-dranomasina nanamafy fa « ny fanevan'ny fifanekena » [fr] dia ampiasain'ireo mpandraharaha tsy mifaditra hovana mba handosirana ny andraikitr'izy ireo manoloana ny jono tsy ara-dalàna, ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ireo heloka bevava hafa ataony. Naboraky ny fanadihadiana nataon'ny EJF ihany koa fa manodidina ny 55 isanjaton'ireo sambo an-dranomasin'ny Kameroney no natsofoka tamin'io nandritra ny dimy taona farany. Izany dia mampiseho fitomboana be amin'ny isan'ireo sambo tao anatina fotoana azo lazaina ho fohy. 90 isanjaton'ny lanja aman-taonina azon'ireo sambo rehetra mitambatra no avy amin'ireo sambo vao nampidirina vao haingana ireo, 94 isanjaton'ireny sambo ireny dia vao nampidirina, ary ana orinasa vahiny avokoa. Ankoatra izay, navoitran'ireo vokatra hita ihany koa fa saika ireo sambo vao natsofoka rehetra dia miasa ivelan'ny fari-dranomasina kameroney avokoa. Tsy fisian'ny fomba fanjonoana maharitra sy mandray andraikitra Amin'izao fotoana izao ny UE dia mitantana ireo fifanaraham-piarahamiasa marobe eo amin'ny sehatry ny jono maharitra [fr] ( APPD) na jono ifanarahana firenena roa ka ahafahan'ireo sambon'ny UE manjono any anatin'ireo faritra ara-toekarena manokana (ZEE) [fr] any amin'ireo tany an-dalam-pandrosoana. Ny UE izao no manana ny fifanaraham-piarahamiasa mavitrika miisa 11 iarahana amin'ireo firenena afrikàna, toa an'i Maoritania [fr] sy Guinée-Bissau [fr] . Ho takalon'ny fahafahany miditra maka trondro any anatin'ireo faritra ZEE any amin'ireny firenena ireny, manome fanampiana ara-bola ho azy ireny ny UE. Ny sambo eorôpeàna rehetra, na izy mitrandraka eo ambanin'ny APPD na fifanarahana ifanaovan'ny tsy miankina, dia samy iharan'ireo fepetra hentitra voarakitra ao anatin'ny SMEFF ( Fitantanana maharitra ireo andian-tsambo vahiny mpanjono ) [fr], izay mandidy ny fomba fanao amin'ny jono maharitra. Na izany aza, ilay toedraharaha dia naka fihodinana mahaliana rehefa ny momba ireo sambo mpanjono (chalutiers) misy sainam-pirenena kameroney no resahana. Mety hihoaran'ireny sambo ireny ny fetra napetraky ny UE, tsy ilàny akory mampidina ny hazany ao Maoritania na ao Guinée-Bissau. Navoakan'ny tatitra iray an'ny IUU Watch ny fironana iray mampanahy momba ireo tompona sambo misafidy ny hampiasa fanevan'ny fifanekena. Ny safidy tahaka izany dia toy ny manome laharampahamehana ny fidirana amin'ireo ZEE maro ao amin'ilay firenena, tsy misy iraharahiana izay fomba fanao amin'ny jono maharitra sy mandray andraikitra any. Nolazain'ilay tatitra fa: Raha ny momba ireo sambon'ny UE, ny fanararaotana be fahatany ny fanovàna ny faneva dia mety hitranga mba handinganana ny zava-boasoratra momba ny hoe ‘manokana’  voarakitra any anatin'ireo fifanarahana ôfisialy mahakasika izay azon'ny UE idirana any amin'ireo firenena mpiaramiasa (SFPA). Araka io fehezandalana miresaka ny ‘manokana’ io, izay sambo mitondra fanevan'ny UE dia tsy mahazo alàlana hiditra hitrandraka any anatin'ny fari-dranon'ny firenena iray mampihatra ny SFPA, raha tsy ohatra angaha ka ananan-dry zareo ny fanomezan-dàlana hanjono, nomena mifanaraka tsara amin'io fifanarahana io. «Manimba ny tena fototra ijoroan'ny fepetra SMEFF io fomba fanao io, mitera-doza ho an'ny rohivoary an-dranomasina sy ny fiveloman'ireo vondrom-piarahamonina eny an-toerana», hoy ny nambaran'ny tomponandraikitra iray ao anivon'ny EU raha naneho hevitra tsy nitonona anarana izy. Ny « karatra mena » sy ny valinteny « fihatsaràna ivelan-tsihy » avy amin'ny CE (kaomisiôna eorôpeàna) Tamin'ny Janoary 2023, noho ny toedraharaha mampahatahotra ao Kamerona, ny Commission européenne (CE) dia namoaka « karatra mena» ary nametraka fameperana amin'ny resaka fanafarana entana .  Io hetsika famaizana io dia niainga indrindra avy amin'ny fanamafisana ny « faharefoan'ny fanarahamason'ny  fanjakana an'ireo fanevan'ny fifanekena», singa iray mandray anjara amin'ny fanapariahana ireo fomba fanao amin'ny jono tsy ara-dalàna eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Nandritra ny namoahana ilay karatra mena, nilaza ny CE fa: « Tsy maintsy lavin'ireo firenena mpikambana ny fanafarana ireo vokatra jono avy any Kamerona, na dia ampiarahana amina sertifikà milaza ny fomba nahazoana azy aza izy ireny », araka izany amin'ny fampiharana ny fandraràna ireo fanafarana entana avy ao amin'ilay firenena. Niditra nanan-kery avy hatrany io fepetra io taorian'ny namoahana ilay karatra mena. Navoitran'ny fanadihadiana nataon'ny Gideon Sarpong ny momba ireo sambo 12 tantanina, na mpiaramiasa, na tena an'ireo orinasa mifamatotra amin'ny EU, izay samy manohy manofahofa ny saina kameroney avokoa. Sambo mpanjono voasoratra ao amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna manofahofa ny saina kameroney. Sary an'i Daniel Abugre Anyorigya, 2023, fampiasàna nahazoana alàlana. Fa ny tena mbola manaitra kokoa, nisy fandalinana ireo angondrakitra momba ny fandraharahàna ara-barotra avy amin'ny European Market Observatory for fisheries and aquaculture (EUMOFA) nampibaribary fa manodidina ny 10 tapitrisa euros (10,94 tapitrisa dôlara amerikana) ny trondro niditra tao amin'ny UE avy any Kamerona teo anelanelan'ny Janoary sy ny Septambra 2023, na nisy aza ilay fandraràna napetraky ny CE. Novoaboasana ireny angondrakitra ireny ary nolavin'ny CE, izay niaiky fa niditra tao anivon'ny UE ireo vokatry ny jono avy any Kamerona tamin'ny 2023, na dia tamina lanja kely aza. Kanefa, rehefa nitaky tarehimarika ireo mpanao fanadihadiana mba hanamarinan'izy ireo ny fanamafisana nataony, tsy nanome izany ho azy ireo ilay tomponandraikitra iray avy ao amin'ny CE. Fanondranana ireo vokatry ny jono avy ao Kamerona nankany amin'ny UE, Janoary-Septambra 2023. Famelabelaran'i Daniel Abugre Anyorigya. Ny tohankevitry ny CE dia niorina teo ambonin'ny fanamafisana hoe ireny fanafarana ireny dia tsy avy amin'ny “rafitra fanamarinana ny fomba nakàna ny trondro” napetrak'izy ireo, nampiasàny ho ohatra ireo tranga toy ny «tekateka sy ireo trondro fanao haingo», tamin'ny fanamafisany fa ireny fanafàrana ireny dia avy any Frantsa sy Belzika no tena fiaviany. Notsipihan'ny tomponandraikitra iray avy ao amin'ny Vovonana Eorôpeàna momba ny Jono [fr] IUU fa vitan'ireny sambo mpanjono ireny ny manararaotra ilay heverin'ny CE fa fanarahamaso tandrevaka ny jono ao Kamerona, na dia mijanona ao anivon'ny UE ihany aza ny vola azo. Na izany aza, tsy mbola nandraisan'ny CE fepetra mivaingana manenjika ireny orinasa  ireny sy manohitra io fibosesehana tsy miaton'ny trondro avy any Kamerona mankao amin'ny tsenan'ny UE io. Beatrice Gorez, mpandrindra ny CFFA ( Coalition pour des accords de pêche équitables [fr]), ivondronan'ireo fikambanana manokantena hitondra fanazavàna momba ny fiantraikan'ireo fifanarahana jono ifanaovan'ny UE sy Afrika, dia mitaky amin'ny fomba manohina ny hoe : « Tsy tokony ho ataon'ny UE lasibatra ihany koa ve ireo olontsotra na orinasa miorina ao Eorôpa? Ireo olontsotra tompon'ireny sambo ireny? »
https://mg.globalvoices.org/2023/12/15/167384/
Efatra mpitarika fanovàna miady amin'ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na vavy ao Afrika sy India
2023-12-15T14:32:48
Unknown
Havia miankavanana: Priye Diri, Josephine Mwende, Innocent Madonsela ary Sagina Walyat. Saripika natolotry ny Bidisha Saikia, fampiasàna nahazoana alàlana. Nosoratan'i Bidisha Saikia Misy karazany marobe ny endrika herisetra mifototra amin'ny miralenta, mahasehaka ny lafiny ara-pihetsehampo, ara-tsaina, ara-nofo ary ara-batana. Hita anatin'ireo ohatra maro ny fanimbinana ny taovam-pananahan'ny vehivavy (FGM), ny famonoana atosiky ny resaka voninahitra, ny fampanambadiana an-tery sy aloha loatra, ary hatramin'ny fivarotana olona ho an'ny resaka filàna ara-nofo. Anatin'ireny, ny “ intimate partner violence (IPV)” sy ny “n on-partner sexual violence (NPSV)” (herisetra ataon'ny olona akaiky ny tena / herisetra ataon'olona tsy miaraka amin'ny tena) no endrika roa be mpahafantatra indrindra amin'ny herisetra iainan'ireo vehivavy — ary manerana ny tany dia ampahatelon'ny vehivavy eo ho eo no niaina, tamina fotoana iray teo amin'ny fiainan-dry zareo, ny iray na izy roa mihitsy amin'ireo endrika herisetra mifototra amin'ny miralenta ireo. Ny “16 Andro Fikatrohana Hanoherana ny Herisetra Mifototra amin'ny Miralenta,” tarihan'ny fiarahamonina sivily ary tohanan'ny Firenena Mikambana , dia fanentanana iray eken'ny erantany izay manomboka ny 25 Novambra, Andro Erantany ho Fanafoanana ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy , hatramin'ny 10 Desambra, Andron'ny Zon'Olombelona . Mandritra io vanimpotoana manandanja io, mivondrona anaty fiaraha-miezaka iray ireo olontsotra, fikambanana ary vondrom-piarahamonina, mba hanaitra ny saina sy hiady amin'ny herisetra mifototra amin'ny miralenta. Ilay fanentanana dia sehatra iray matanjaka manao adisisika hisian'ny pôlitikam-piovàna, fampiroboroboana ireo hetsika fanabeazana, fanamafisana ny feon'ireo sisampaty, ary firotsahana mandray anjara anatin'ireo hetsika isankarazany izay manohitra ireo fenitra ara-tsôsialy. Nandritra ireo taona vitsivitsy lasa, efatra mpitarika ho amin'ny fanovàna teo ambany fiahian'ny Nguvu Collective no nandray anjara navitrika tamin'io fanentanana io, tsy nitandro hasasarana niady nanohitra ireo endrika herisetra isankarazany nanerana an'i Kenya, Nizerià, Afrika Atsimo ary India. Avy any Kenya, ny fanangonan-tsonia nataon'i Josephine Mwende Kamene dia manasongadina ny filàna maika ny fahazoana fitsaboana ara-pahasalamàna tsy mitanila ho an'ireo vehivavy mandritra ny fitondràny vohoka sy eo am-piterahana, tamin'ny fitondràna fanazavana momba ny zavamisy mampalahelo manodidina ny herisetra any am-piterahana . Mwende no mpamorona sady filoha mpanatanteraky ny AbleRise Africa Society , fikambanana iray miorina eny anivon'ny vondrom-piarahamonina manohitra ireo fenitra ara-tsôsialy no sady manao adisisika hisian'ny fampiatiana sy ny fitoviana. Ny herisetra eo am-piterahana iainan'ireo vehivavy dia mahafaoka endrika tsy firaharahiana isankarazany, tsy fananjàna, ary fanararaotana iainan'ireo vehivavy mandritra ny fiterahana, izay fanitsakisahana lalina ny zo sy ny fahamendrenan-dry zareo. Reny tokantena izy, Mwende dia teraka niaraka tamin'ny “paralysie cérébrale” hatrany am-bohoka ary niatrika fanavakavahana avy amin'ireo hôpitaly samihafa rehefa tonga ny fotoana hiterahany ny zanany. Tamin'ny Aogositra lasa teo, Mwende dia nihaona tamin'ny sekreteran'ny minisiteran'ny fahasalamàna, Susan Nakhumicha,  mba hampahafantatra ilay fanentanana ataony. Noraisina nodinihana ny traikefany sy ireo tolokevitra narosony rehefa niseho teo anoloan'ny Loholona tamin'ny 1 Novambra lasa teo ny kabinetran'ny sekreteran'ny fahasalamàna, Susan Nakumicha, mba hanasongadina ireo tetikasan'ny ministera ho fanatsaràna ny fahafahana mahazo fikarakaràna ara-pahasalamana ho an'ireo olona manana fahasembanana. Hatreto, Mwende hatrany no lohalaharana tamin'ny fanentanany hanomezana laka ny fikarakaràna ara-pahasalamana mampiaty an'ireo olona tratry ny fahasembanana, nanao ireo dingana hafa feno fahasahiana, toy ny fanoratana lahatsoratra fanehoankevitra momba ilay olana sy niresaka tamin'ireo fandaharana an'onjampeo teo an-toerana sy onjampeo nasiônaly , ary ireo songadina manokana sy tafa tanaty fahitalavitra. Ilay 16 Andro Fikatrohana dia mandeha mihoatra lavitra ny fanentanana ho tonga saina tamin'ny alàlan'ny fandrisihana hanao hetsika azo tsapain-tànana, na ho an'ireo olontsotra, na ho an'ireo vondrom-piarahamonina . Tato anatin'ny taona vitsy, ilay mpikatroka sady mpisolovava mpiaro zon'olombelona, Sagina Walyat, avy any India, dia nanao adisisika foana ho an'ny zo araka ny lalàna ho an'ireo vehivavy an-tanandehibe sy any ambanivohitra. Mba hitondràna fanohanana ho an'ireo vehivavy tratry ny fahasahiranana, ny governemanta indiàna dia nametraka laharana isankarazany hahafahan'ireo vehivavy mitady fanampiana, indrindra fa ny 181 sy 1091, mba hiantohana ny fahafahana miditra malalaka hahazo fanohanana. Kanefa nandritra ny taona maro, nisy fitontonganana nibaribary tsikaritra tamin'ny isan'ireo antso nataon'ireo vehivavy nila fanampiana tamin'ny 1091, araka ny voarakitry ny angondrakitry ny pôlisy ao Delhi, raha mitaha amin'ireo antontanisa tamin'ny  2021. Anisan'ny antony naroson-dry zareo ho nahatonga io fitontonganana taorian'ny 2021 io, anefa, ny firongatry ny herisetra an-tokantrano nandritra ny COVID-19, ka nampitomboin-dry zareo ny isan'ireo mpisafo mandehandeha eraky ny faritra ahitàna ny maro indrindra amin'ireo olana. Setriny, natombok'i Walyat ny fanentanana iray nandrisihana ny Ministeran'ny Solika sy ny Entona Voajanahary; ny Trano Fonenana sy ny Raharaha An-tanandehibe mba hanaparitaka ireo laharana fiantso filàna fanampiana ho an'ireo vehivavy ho apetaka amin'ireo tavoahangin'entona LPG, izay 305 tapitrisa no tokantrano mampiasa azy manerana ny firenena. Ny fikambanan'i Walyat, ny Beacon of Rights , dia manokan-tena ho an'ny fampiroboroboana ny vehivavy sy ny zo maha-olona, tanjona amin'izany ny hitondràna fiantraika amin'ny rariny ara-tsôsialy amin'ny fifantohana ny fanabeazana sy ny fahasalamàna ara-pananahana ary ny zo (SRHR) ho an'ireo vehivavy eny ambanivohitra. Katsahan'ilay fikambanana ihany koa ny hampihenàna ny elanelana misy amin'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra eo amin'ny lahy sy ny vavy ao India miaraka amin'ny fanentanana sy fanohanana iray an-tsitrapo amin'ny resaka lalàna. “Ireo 16Andro Fikatrohana ireo, izaho dia miantso tontolo iray izay hahafahan'ny tsirairay, na lahy izy na vavy, miaina tsy misy herisetra sy fanavakavahana,” hoy i Walyat. Priye Diri, avy ao Nizerià, dia tanora iray feminista mpamokatra sarimihetsika no sady manampahaizana manokana amin'ny fampandrosoana, manana traikefa momba ny herisetra ara-nofo sy mifototra amin'ny miralenta (SGBV) sy ny fisorohana. Tao Abuja renivohitra, nanao fanentanana izy hitakiana ny fanesorana fitakiana lazambidy (faktiora) amin'ireo sisampaty tamina herisetra ara-nofo sy noho ny mahalahy na vavy. Hoy izy, “Amin'ny maha-mpitondra teny voalohan'ny SGBV ahy, isanandro aho mandre tantaran'ireo vehivavy sy ankizivavy izay sisampaty tamina SGBV; rehefa mifanome tànana amin-dry zareo aho mba hahafahan-dry zareo manatona fitsaràna, hitako ny sandan'ny fitsaràna sy ny dona mety ho entiny mandrakizay amin'ny fiainana.” Nomen'i Diri andraikitra ny Masoivoho Na siônaly Fampandrosoana ny Fiahiana Ara-Pahasalamana Fototra mba hitondra ny fanangonan-tsoniany sy hiresaka momba ny hahafahan'ireo ivontoerana fiahiana ara-pahasalamana fototra ao Nizerià hiantoka ny tsiambaratelo sy ny fikarakaràna rehefa mandray an-tànana ny tranga herisetra mifototra amin'ny miralenta ry zareo. Amin'izao fotoana izao i Diri dia miasa mamokatra lahatsary fohy iray izay kasainy ho alefa alohan'ny faran'ny taona, hanasongadinana ny vesatra baben'ireo niharan'ny SGBV ao Nizerià. Eritreretiny ny hiditra amin'ny fiarahana miasa amin'ny ministera miandraikitra ny vehivavy, sy ny ministeran'ny fahasalamana ao  Abuja, renivohitra. Tsy ela akory izay ny governemanta amerikàna no nankasitraka ny asany tamin'ny fanomezana azy ny Loka Mandela Washington Fellowship , noforonin'ny filoha Barack Obama tamin'ny 2010. Avy any Johannesburg, Afrika Atsimo, Innocent Madonsela, 34 taona, dia tohina noho ny fisian'ny Funelani nganeno/Ukuthwala (fiteny Zulu ilazàna ny endrika “fampanambadiana an-tery”) ao amin'ny fari-piadidian'i Nkomazi any atsinanan'ny faritanin'i Mpumalanga . Fomba fanao io izay hakàna an-kery ny ankizivavy ary aolan'ireo lehilahy efa zokinjokiny, izay mitondra azy avy eo ho any an-tranon'ny ray aman-dreniny miaraka amina tolotra fanomezana ho an'ny mariazy takalozana antontam-bola sarintsariny. Dia manaiky ny fianakaviana roa tonta hiditra amin'ilay “fampanambadiana” tsy ara-dalàna sy tsy misy taratasy ary tsy nakàna ny fankatoavan'ilay zazavavy. “Tsy ao amin'ny vohitra misy ahy ihany no misy io fomba fanao io; vao haingana, nisy ireo tatitra azo momba ireo ankizy mbola kely zara raha 10 taona nefa mitondra vohoka tamin'ny taona lasa, ka ny tao KwaZulu-Natal dia naharaketana fitondrana vohoka niisa 26.515 tamin'ireo ankizivavy 10 sy 19 taona tao anatin'ny valo volana,” hoy i Madonsela. Ankizivavy mihoatra ny 20 no nampiany tato anatin'ny 12 volana lasa. Tafiditra amin'ny ezaka ataony ny famonjena ireo ankizivavy sy fanomezana azy ireny toerana azo antoka. Niasa ho toy ny fiara mpamonjy voinan'ilay vohitra izy, mitatitra ireo ankizivavy hamonjy ny hôpitaly akaiky indrindra (64 km) rehefa sendra ny fiterahana atahorana haningotra ny aina sy ny fitondràna vohoka misy fahasarotana.  Tiany ho azo antoka fa ho tonga any amin'ireo ankizivavy rehetra marefo ny fanampiana, ary izay no nanosika azy hanomboka ilay fanangonan-tsonia iray nanaingàna ny Kaomisiônan'ny Zon'Olombelona mba hirotsaka an-tsehatra sy hiaro ireo ankizivavy kely ary hampitsahatra io fomba fanao io. Ny fanentanan'i Madonsela no namadika io adisisika io ho lasa resaka nasiônaly ary marobe ireo mpiara-mitantsoroka no nampandraisiny anjara, isan'ireny ny pôlisy afrikàna tatsimo, ny Kaomisiônan'ny Zon'Olombelona, ny Kaomisiônan'ny Miralenta ary ny Filankevitr'ireo Mpitarika Fombandrazana, mba hampitsahatra io fomba fanao io sy ny fitondràna vohoka eny anivon'ireo tsy ampy taona ao Nkomazi. Olona efa maherin'ny 10.500 no namaly ilay fanangonan-tsonia , ary tsy mitsahatra mitombo. Tanaty fihaonan-tanjona niavaka, Josephine Mwende, Sagina Walyat, Priye Diri, ary Innocent Madonsela no samy tafavondrona na teo aza ny elanelan-tany, ny fitoviam-pijerin-dry zareo rahateo no herim-panovàna mahagaga asehon-dry zareo amin'ny maha-mpitarika an-dry zareo eo anivon'ny Nguvu Collective. Voafatotry ny fanolorantena iraisany, ireo mpitarika fanovàna ireo no ohatra velon'ny mety ho fahafahana manova mifandraika amin'ny fanatratrarana miaraka ny fizakàntena sy ny fiovàna sôsialy.
https://mg.globalvoices.org/2023/12/23/167362/
Adihevitra manodidina ny fandraràn'ny parlemantan'i Kenya ny ‘akanjo Kaunda’ sy ny fitafy nentin-drazana afrikana
2023-12-23T03:06:34
Unknown
Ny filoha William Ruto manao akanjo Kuanda. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube, ‘Depiote UDA voaroaka tao amin'ny Parlemanta noho ny fitafian'i Ruto’ tao amin'ny Emqba News . Fampiasana ara-drariny. Tamin'ny Talata 28 Novambra, nandray fanapahan-kevitra mampiady hevitra ny parlemantan'i Kenya handrara ny fanaovana akanjo Kaunda sy ny akanjo nentin-drazana Afrikana. Iray amin'ireo akanjo manamarika ny Filoha William Ruto ny akanjo Kaunda, avy amin'ny anaran'ny filoha Zambiana Kenneth Kaunda . 🛑 No Kaunda suits & traditional African clothes. Kenya's parliament has banned Kaunda suits, named after Zambia's late President Kenneth Kaunda, from within the building. The Speaker says they threaten parliament's established dress code. https://t.co/5127MHioiW — BBC News Africa (@BBCAfrica) November 29, 2023 Tsy mila akanjo Kaunda & akanjo afrikana nentin-drazana. Noraràn'ny parlemanta Kenya ny fiakanjo Kaunda, anarana avy amin'ny Filohan'i Zambia nodimandry Kenneth Kaunda, tao anatin'ilay tranobe. Nolazain'ny Mpitondrateny fa mandrahona ny fitsipika fiakanjo napetraky ny parlemanta ireny. Efa tafiditra adihevitra amin'ny fomba fitafy ny parlemantan'i Kenya teo aloha. Tamin'ny Novambra 2020, nivoaka ny didim-pitsarana manome alalana ireo mpanao lalàna hitafy akanjo nentin-drazana Afrikana ao amin'ny efitra fiadian-kevitra ao amin'ny parlemanta.  Naneho fiovana lehibe teo amin'ny politikan'ny fomba fitafy, famantarana ny fankatoavana sy ny fampidirana ny lova ara-kolontsaina afrikanina, ity fanapahan-kevitra. Nivadika izany ankehitriny. Nosoritan'ny filohan'ny parlemanta Moses Wetangula ny “fitsipika fitafy mety ho an'ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta.” Ho an'ny lehilahy, notononiny ny palitao, ny vozon'akanjo, ny karavato, ny lobaka lava tanana, ny pataloha lava, ny ba kiraro, ny kiraro, na ny fanamiana fiasana araka ny tokony ho izy. Ho an'ny vehivavy, raràn'ny fehezan-dalàna ny blozy tsy misy tanany ary mametraka fenitra amin'ny halavan'ny zipo sy akanjo, izay tsy maintsy eo ambany lohalika sy “maotina”. Voamarika fa nesorina tao amin'ny fitafy nankatoavina ny akanjo nentin-drazana, anisan'izany ny akanjo Kaunda. Araka ny nohazavain'ny Mpitondrateny (filohan'ny parlemanta), ny fandrarana dia noho ny firongatry ny lamaody izay heverina fa maninana ny lalàna napetraky ny fiakanjo parlemantera. Manana tantara efa tamin'ny taonjato faha-19 ny akanjo Kaunda, miavaka amin'ny palitao safari, ary matetika miaraka amin'ny pataloha mifanaraka aminy, ary i Kenneth Kaunda, filoha voalohany taorian'ny fanjanahantany tao Zambia no nampalaza azy. Araka ny voalaza ao amin'ny tranonkalan'i Syowia Kyambi , tamin'ny taompolo 1960, nandritra ny vanim-potoanan'ireo hetsika ho amin'ny fahaleovantena Afrikana, maro ireo olo-malaza nanao akanjo Kaunda, anisan'izany i Sam Nujoma sy Julius Nyerere . Ninoan'i Kaunda ho Nyerere no nanome anarana ilay akanjo . Mety ho nahazo aingam-panahy avy amin'ny mpanorina ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina, Mao Zedong , ihany koa i Kaunda, izay nankafy ny endrika akanjony — sy ny ideolojiany (foto-pisainany). Amin'izay indrindra, antsoina koa hoe “ fiakanjo Mao ” (na “col Mao”) ilay akanjo, na dia i Sun Yat-sen , mpanorina ny Repoblikan'i Shina (Taiwan) aza no nampiditra azy io tany am-boalohany ary fantatra amin'ny anarana hoe fiakanjo Zhongshan suit. Nanao akanjo mitovitovy amin'izany koa ireo mpitarika, ny manam-pahaizana sy sosialista tany amin'ny faritra maro eran'izao tontolo izao, anisan'izany i Aostralia sy Eoropa Andrefana. Amin'ny fanaovana ny akanjo Kaunda, ampiroboroboin'ireo mpitarika ireo ny foto-pisainana firaisankina ary asongadiny ny fahatsapana ny maha-izy azy izay miavaka amin'ny fitaomana tandrefana. Midika izany fa noheverina ho mariky ny maha-Afrikana sy fandavana ny fanjakazakan'ny kolontsaina tandrefana ny akanjo Kaunda. Hita matetika manao akanjo miendrika Kaunda ny filohan'i Kenya William Ruto amin'ny lanonana ofisialy, izay mampitombo ny lazany eo amin'ireo sangany ara-politika ao amin'ny firenena. Tamin'ny antsafa iray nifanaovana tamin'ny TV47 , nilaza i Ashok Sunny, mpanjaitra ofisialin'i Ruta, fa ny safidin'i Ruto hanao ny akanjo Kaunda dia seho fanohanana ny indostria eo an-toerana sy ny akanjo vita Kenyana, manohana ny talentan'ireo mamorona akanjo sady mampiditra ao aminy ny kolontsaina Afrikana. Na izany aza, niaiky i Sunny fa misy ireo hafa mihevitra azy io ho endrika “jadona” satria nanao akanjo mitovy amin'izany “ny ankamaroan'ny mpanao didy jadona taloha” . Na izany aza, nampiditra fitantarana hafa ny fandraràna, nitarika ny tsy fahafaham-po teo amin'ireo Afrikana maro mpikirakira media sosialy. Maro ankehitriny no manontany hoe nahoana no voarara ao amin'ny parlemanta afrikanina ny akanjo afrikanina. Mpisera YouTube iray naneho hevitra fahasorenana tao amin'ny lahatsarin'i Make Afrika Great : Isn't it enough that we are still speaking the languages of our oppressors? What is wrong with Africa, my God? How can the parliament ban our traditional clothes? That is our identity and culture. Look to the Arabians, they do not use westerns clothes, but their cultural clothes. It's very sad. The Kenyan people must come on the streets and protest against this decision. Tsy ampy ve ny mbola miteny ny fitenin’ny mpampahory antsika? Inona no tsy mety amin'i Afrika, Andriamanitro ô? Ahoana no ahafahan'ny parlemanta mandrara ny akanjo nentin-drazana? Izay no fiziantsika sy kolontsaintsika. Jereo ny Arabo fa tsy ny fitafy tandrefana no ataony fa ny fitafiny ara-kolontsaina. Tena mampalahelo. Tsy maintsy midina an-dalambe ny vahoaka Kenyana ary manohitra izany fanapahan-kevitra izany. Nandrehitra resaka mivelatra kokoa amin'ny fanehoana ara-kolontsaina sy ny fanajan-tena ny fanapahan-kevitra. Hoy ny mpikirakira X iray (Twitter taloha): This move away from our roots and towards colonial norms suppresses our identity. We must embrace our culture, not restrict it. We can not continue to appease the west just so we can be recognised on the global stage. Manala antsika amin'ny fototra ao amintsika sy mankany amin'ny fomban'ny fanjanahantany manafoana ny maha-izy antsika izany. Tsy maintsy mampiditra ny kolontsaintsika isika fa tsy mandrara izany. Tsy afaka mandambolambo ny tandrefana fotsiny isika mba ho ankatoavina eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Mandresy lahatra ireo mpikirakira media sosialy hafa fa fomba iray hitadiavana ny maha-izy azy sy hankalazana ny fiangeso Afrikana ny fandraisana ny akanjo nentim-paharazana Afrikana, milaza fa mifanohitra amin'io fihetseham-po io ny fandraràna toy izany. Misy ireo manontany raha afaka mahazo haja maneran-tany i Afrika raha tsy manaja ny fitafiana (nentin-drazan’)izy ireo manokana, raha misy ny sasany mampihomehy fa mety ho natokana ho an'ny filoha Ruto irery izao ny akanjo Kaunda . Nanomboka nahazo vahana io hevitra io vao haingana rehefa navoaka tao amin'ny efitrano ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta avy amin'ny United Democratic Alliance (UDA) noho ny fanaovana akanjo Kaunda . Satria (maro ireo) misolovava ho amin'ny fampidirana karazana akanjo maneho marina ny kolontsaina afrikana eo amin'ny sehatra manerantany, dia mijanona ho fanapahan-kevitra eo ambany fahefan'ny governemanta izany, tarihin'ny lalànan'ny vanim-potoana fanjanahantany.
https://mg.globalvoices.org/2023/12/19/167439/
Hetsika iray mihamitombo ao Afrika sy eny anivon'ny am-pielezana hitakiana fanonerana ireo ratsy vitan'ny fanandevozana sy ny fanjanahantany
2023-12-19T07:03:39
Unknown
Ireo mpanandevo nitondra ny babo ho eny an-tsambo fitondràna andevo teo amin'ny morontsiraka andrefan'i Afrika. Sary an'i Joseph Swain, Wikimedia Commons ( CC BY-SA 4.0 DEED ) [Raha tsy asiana fanamarihana manokana, ny rohy rehetra ato anaty lahatsoratra dia mitondra ho amina pejy amin'ny fiteny anglisy] Mbola mitoetra tsy misy voakitika ireo ratra vokatry ny fanandevozana, ny fanjanahantany ary ireo lova navelan'izy ireny. Amin'izao fotoana izao, misy hetsika iray tsy mitsahatra mitombo miforona manerana ilay tanibe sy eny anivon'ireo am-pielezana mba hitakiana fanonerana sy ny rariny noho ireo heloka bevava ara-tantara . Tamin'ny Septambra 2023, ny filohan'i Ghana, Akuf0-Addo, dia niteny nanoloana ny Fivoriambe faha-78 nataon'ny Firenena Mikambana, tamin'ireto teny ireto : Fotoana izao hanekena ampahibemaso hoe ny ampahany betsaka amin'i Eorôpa sy Etazonia dia naorina avy amin'ireo harena tsy tambo ho isaina nangonina avy amin'ny hatsembohana, ranomaso, rà sy ireo famarotana nampivarahontsana natao an'ireo andevo namakivaky an'i Atlantika, ary ireo taonjato maro nanararaotan'ny mpanjanaka. Tsy maintsy ekentsika koa angamba fa tsy mora ny manorina fiarahamonina azo itokiana sy miroborobo miainga avy amina firenena izay, nandritra ny taonjato maro, niatrika ny fandrobàna ireo harena voajanahariny sy ireo vahoakany namidy toy ny entam-barotra. Nandritra ny taonjato maro, tsy niraharaha izao tontolo izao ary tsy nahavita niatrika ny tena zavanisy nateraky ny famarotana andevo. Kanefa, hoy hatrany izy, mivoatra miandàlana ny toedraharaha ary tonga ny fotoana hitondràna ny resaka fanonerana ho eny alohan'ny sehatra : Ekena fa tsy ireo andian-taranaka ankehitriny no ireo nanao ny famarotana andevo, saingy ny famatsiambola nataon'ny orinasan'olombelona dia hitoetra ho voatohana hatrany ary ho tombontsoa tsy nahy ho azy ireo, izay tafiditra mazava ao anatin'ny rafitra ara-toekarena misy amin'izao fotoana izao iainan'ireo firenena namolavola sy nampihatra azy io. Tsy maintsy misy fanonerana arotsaka noho ny famarotana andevo. Volana iray taty aoriana, natao tao Accra ny Sommet Advancing Justice: Reparations & Racial Healing , vatsian'ny Equitable Recovery Initiative avy amin'ny Orina MacArthur. Araka ny tatitry ny Africa Feeds , dia naverin'ny filoha Akufo-Addo nohamafisina ny antsony hisian'ny fanonerana omena ireo  Amerindiàna, ireo fianakaviana japoney-amerikàna ary ireo Jiosy izay nijaly nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Hoy ny nambarany: « Nitohy ary mitohy mahazo onitra ireo Amerindiàna ; nahazo onitra ireo fianakaviana japoney-amerikàna, nofonjaina tany anatin'ireo toby fanibohana tao Amerika nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Nahazo onitra [fr]  ireo vahoaka jiosy, izay enina tapitrisa no maty tany anatin'ireo toby fanibohana fony Alemaina teo ambany fitondran'i Hitler, indrindra fa tohana ara-bola sy fanohanana ho an'ny firenen-dry zareo. Nisy lahatsoratra iray tao amin'ny New York Times nanipika ireo vokatra nateraky ny sasantsasany tamin'ireny fanonerana ireny ary nanatsoaka lesona mety hahasoa. Ny Kaonferansa niraisan'i Afrika momba ny Fanonerana dia niarahan'ireo firenena ao anivon'ny Fiombonambe Afrikàna (UA) sy ny Fikambanan'ny ao Karaiba (CARICOM) nikarakara tao Accra,  Ghana, tamin'ny 14 Novambra. Samy niray feo ireo mpikambana tao amin'ilay kaonferansa hitaky fanonerana ho an'ireo tsy rariny natao an'ireo Afrikàna nandritra ny famarotana andevo namakivaky an'i Atlantika , ny apartheid, ny fanavakavahana, ny fanjanahantany, ny fanjanahantany amin'ny endriny vaovao sy ny liberalisma amin'ny endriny vaovao. Nihaona ireo solontena avy amin'ireo firenena afrikàna, ireo vondrona avy amin'ny fiarahamonina sivily sy ireo afrikàna am-pielezana mba hiresaka izay vahaolana miabo, mitondra ho amin'ny famoronana tahiry iray erantany ho fanohanana ilay fanentanana sy ho amin'ny fanoratana fanambaràna iray, araka ny itateran'ny Guardian azy. Ireo firenena avy amin'ny faritra Karaiba, izay tena voa mafy tokoa tamin'ny famarotana andevo niampita an'i Atlantika, dia efa hatry ny ela no mitaky fanonerana. Ny Vaomieran'ny Fanonerana eo anivon'ny CARICOM (Vondrom-piarahamonin'ny ao Karaiba sy  ny Tsena Iombonana), teo ambany fitarihan'ny prôfesora Sir Hilary Beckles , no mpisava làlana tamin'io hetsika io, nitady fanonerana fa tsy mihanona fotsiny amin'ny resaka tambiny ara-bola. Asian'ity fanentanana ity tsindrimpeo ny maha-zavadehibe ireo hetsika toy ny fanohanana ireo santatr'andraikitra mitodika amin'ny fanabeazana sy ny fikarakaràna ara-pahasalamàna ao Karaiba . Ny prôfesora Beckles, efa mpomba hatry ny ela ny resaka fanonerana, dia manolotra sosokevitra hamoronan'i Angletera rafitra iray mitovitovy amin'ilay Tahiry Jiosy ho an'ny fanonerana. Tsipihany fa ny rariny natao ho fanasitranana dia tsy resaka fitalahoana, fa zavadehibe kokoa, satria ny resaka eto dia fampiroboroboana fiarahamiasa eo amin'i Angletera sy ny ao Karaiba ho fampandrosoana iraisana. Ho setrin'ny adisisika nataon'ny Vaomieran'ny Fanonerana eo anivon'ny CARICOM, nosoniavin'ny Oniversiten'i Glasgow sy ny Oniversiten'ny Antilles ny fifanarahana iray manantantara momba ny fanonerana mifandraika amin'ny fanandevozana . Na izany aza, nohamafisin'ilay vaomiera fa mbola misy ireo fepetra fanampiny ilaina. Noresahana naharitra nandritra ny antsafa iray [fr] niarahana tamin'i Sir Hilary tao Bocas Lift Fest ao an-tSeranan'i Espaina any Trinidad tamin'ny Oktôbra 2020 ary nalefa nivantana, ireo tohankevitr'i Karaiba momba ny fanonerana . Navoitran'ilay fanentanana avy amin'ilay vaomiera ireo fiantraika maharitry ny famarotana andevo niampita an'i Atlantika sy ireo fiantraika mitohin'io rafitra tsy manaja ny maha-olona io, mihoatra lavitra noho ny resaka dona ara-tsaina aterany amin'ireo taranany aty aoriana, sy ny fiantraikany ara-toekarena, kolontsaina, demôgrafika, pôlitika ary ekôlôjika. Niako teny anivon'ireo olompirenena ao Karaiba io tohankevitra io, araka ny asehon'ny zavamisy hoe ny fanosorana ho mpanjaka an'i Charles dia tsy nahataitra loatra (ankoatra ny toerana noraisiny momba ireo fanonerana) ary ny fitsidihana tao amin'ny faritra, nataon'ny duc sy ny duchesse de Cambridge, ny an'i printsy William sy i Catherine vadiny, dia voaporofo fa niteraka resabe . Ny Fort de Cape Coast [fr] ao Ghana, miaraka amin'ilay “varavarany tsy azo iverenana” mampihetsi-po, dia fampahatsiahivana tsy afaka an-doha ny famarotana [fr] andevo niampita an'i Atlantika, izay nampitàna Afrikàna an-tapitrisany teo amin'ny Atlantika mba hamidy ho andevo, efajato taona mahery lasa izay. Tamin'ny nanekena ny anjara andraikitra notanan'ireo Afrikàna mpivarotra sy ireo tandrefana mpividy tao anatin'ny famarotana andevo, nanazava i Ondiro Oganda, mpanolotra amina media keniàna iray : Miditra an-tsehetra tokoa ny pôlitikam-barotr'ireo Afrikàna ; afaka iadian-kevitra tsara ny hoe noho ny adidy ara-môraly dia afaka manana safidy handà tsy handray anjara amin'izany ireo  mpividy. Kanefa, ny zava-nisy dia betsaka ireo niroso an-tsitrapo niditra tamin'izany. Na dia nanaiky tsara aza ny tamberinandraikitr'ireo hetsika nataon'ireo Afrikàna vitsivitsy nirotsaka an-tsehatra tanatin'ireny fandraharahàna ireny, tsy azontsika odian-tsy hita ny zavanisy ara-tantara milaza fa nesorina an-tery handao ilay tanibe ireo Afrikàna mba ho atao andevo. … navoaka tsy ankiato avy tao amin'ny tanibe ireo harenantsika, matetika tao anatin'ny resaka fandraharahàna mety nanodinkodinana ny saintsika na nahajambena antsika, lasa ho tombontsoa sy nandray anjara tamin'ny fitomboan'ny toekaren'ny tandrefana. Raha kely indrindra dia 12 tapitrisa ireo Afrikàna no naondrana an-kery teo anelanelan'ny taonjato faha-15 sy faha-19, ary an-tapitrisany ireo maty nandritra ny fanaovana bemidina, nandritra ny fitaterana na noho ny fepetra tsy manaja ny maha-olombelona tany anatin'ireo sambo fitondràna andevo. Mbola mitohy mamaritra ny fandrosoana ara-tsôsialy sy ara-toekarena ao Afrika amin'izao fotoana izao ireo fiantraikan'io tantara nandravarava io sy ireo andrim-panjakana mpanjanaka mitrandraka ny harena ankibon'ny tany. Kendrena amin'ilay fanonerana ny hankatoavana ireo ratsy vita, ny hanonerana ireo fatiantoka, ny handravàna ireo rafitra tsy ara-drariny mba hahafahana mitondra fanasitrànana sy fandrosoana. Indro ny fanadihadiana iray momba ny famarotana andevo niampita an'i Atlantika: Nandritra ilay kaonferansa, nambaran'ny filoha lefitry ny Vaomieran'ny Firaisambe Afrikàna, Dr Monique Nsanzabaganwa [fr] , fa ilay fitakiana fanonerana dia « tsy andrana ho famerenana manoratra ny tantara na fanohizana ny tsingerin'ny fiheverantena ho niharam-pahavoazana » : Antso io mba hanekena ny fahamarinana tsy azo lavina sy hamerenana manoratra ireo lesoka tsy mbola nahazo ny saziny efa hatry ny ela loatra ary mitohy ny miroborobo amin'izao fotoana izao. Ankoatra ireo tsindry hametrahana ny fanonerana, misy koa ny antso amin'ny famerenana ireo zavatra nangalarina tamin'ireo firenena afrikàna nandritra ny rafitra fanjanahantany. Ny filoha, Akufo-Addo, dia nanambara fa olana iray goavana io : Tsy maintsy takiantsika ny famereenana ireo fananana ara-kolontsain'ny firenena afrikàna izay notaterina tsy ara-dalàna sy ts'isy tahotra na henatra niàla avy tao amin'ny tanibe. Io fifandraisana indray eo amin'ny ankehitriny sy ny lasa io dia handray anjara ihany koa amin'ny fanorenana fifandraisana vaovao miaraka amin'ny fianakaviambe iraisampirenena, indrindra fa amin'i Eorôpa, tomponandraikitra voalohany tamin'ny halatra tany am-boalaohany an'ireo harena ara-kolontsaina. Raha ireo firenena tandrefana sasantsasany, isan'izany i Alemaina sy Frantsa, nanaiky ny ratsy vitany nandritra ny vanimpotoana fanjanahantany ary nanomboka namerina ireo zavatra nangalariny tao Afrika, mbola mitaredretra kosa ny hafa. Tamin'ny May tamin'ny taona lasa, Alemaina dia nanaiky nandrotsaka 1,1 lavitrisa euros (1,2 lavitrisa dôlara) ho an'i Namibia ho fanonerana ny vonomoka nataony nandritra ny nibodoany azy fony vanimpotoana fanjanahantany. Raha manetsika ny sisa rehetra ao amin'ny tanibe i Ghana mba hitaky fanonerana, dia niavaka ireo hetsika vao haingana satria nanasongadina ihany koa ireo fanamby avy ao anatiny. Tamin'ny volana lasa, marobe ireo Ganeàna no nifamory teo anoloan'ny Jubilee House , lapan'ny filoham-pirenena ao Accra, nanao hetsika am-pilaminana ho fanoherana ny olana ara-toekarena lalovan'ny fireneny. Ny vidim-piainana midangana sy ny fihenan'ny sandam-bola izay manaka-danitra, efa mahatratra ho 42,19 isanjato sy ny fifandanjan'ny trosa/harinkarena faobe (PIB) efa mihoatra ny 80 isanjato, dia nandrehitra ireo fihenjanana tao amin'ilay firenena. Vokatr'izany, raha naneho hevitra tamin'ilay antson'ny filoha Akufo-Addo hisian'ny fanonerana noho ny fanjanahantany sy ny fanandevozana, notsipihan'i Ondiro Oganda, mpanao gazety, fa ireo mpitarika ao Afrika dia tokony, tsy hoe fotsiny hiaro ny tolon'ilay tanibe eny anatrehan'ny sehatra iraisampirenena, fa koa tokony ho mailo amin'ireo fanamby atrehan'ny vahoakan-dry zareo eo an-toerana.
https://mg.globalvoices.org/2023/12/14/167374/
Andry Rajoelina voafidy indray ho filoha ao Madagasikara, sangy toherin'ny mpanohitra ny maha-ara-dalàna ny zotram-pifidianana
2023-12-14T04:03:26
Unknown
Ny filoha Andry Rajoelina sy ny vadiny, tao amin'ny Fitsaràna Avo Momba ny Lalàm-panorenana. Saripika an'ny Infomedia 261 , fampiasàna nahazoana alàlana. Andry Rajoelina , 49 taona, voafidy indray hitondra an'i Madagasikara ao anatin'ny fepotoam-pitondràna haharitra 5 taona, taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena natao tamin'ny 16 Novambra izay nanaovan'ireo mpirotsaka avy amin'ny fanoherana ankivy. Ny 1 Desambra 2023 , ny Fitsaràna Avo Momba ny Lalàm-panorenana (HCC) nomena andraikitra hanambara ny vokatra farany, no nanambara tamin'ny fomba ôfisialy ny fahalanian'i Rajoelina ho filoha indray, tamin'ny nahazoany vato 58,96% tamin'ireo vato nanan-kery . Somary nidina kely ny tahan'ny fandraisana anjara, 46 % raha ampitahaina amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena natao tamin'ny 2018 izay nahazoana taha 48,09%. Tany am-piandohana, 13 ireo mpirotsaka no tafiditra tanaty hazakazaka, saingy taorian'ny ankivy ara-pifidianana nataon'ny mpanohitra , telo sisa ireo mpirotsaka no nanao fampielezankevitra, isan'izany i Siteny Andrianasoloniaiko izay nahazo 14,39% tamin'ireo vato; ary Marc Ravalomanana , mpirotsaka ankamamian'ny avy amin'ny fanoherana, izay tonga teo amin'ny toerana fahatelo niaraka tamin'ny 12,09% tamin'ireo mpifidy na teo aza ny antsony tany am-boalohany hanaovana ankivy an'ilay fifidianana. Efa filoha hatramin'ny 2018, sambany tonga teo amin'ny fitondrana nandritra ny dimy taona i Rajoelina tamin'ny 2009 noho ny fikomiana nanaisotra ny filoha teo aloha Ravalomanana. Nandritra ny tafa fohy niarahany tamin'ireo mpanao gazety teo am-pivoahana ny lanonana nanambaràna ny vokatra ôfisialy, ary  nohamafisiny androany ny fahavononany hiasa ho an'ny Malagasy rehetra : Isaorako ireo rehetra nifidy ahy, ary na ireo tsy nifidy koa aza. Hanatontosa ny asako ao anaty fahamendrehana tanteraka aho ary tsy hitandro hasasarana ho fampandrosoana an'i Madagasikara Fifidianana nataon'ny mpanohitra ankivy Saingy hatrany am-piandohan'ny fampielezankevitra ho an'ny fifidianana ireo mpirotsaka avy amin'ny fanoherana no efa niampanga ireo tsy fanjariana mibaribary sy nitaky ny hanafoanana ny fifidianana, fa tsy nahitam-bokany. Avy eo izy ireo nanapaka hevitra ny hanao ankivy ny fifidianana ary nitaona ny mpifidy tsy handeha any amin'ny birao fandatsaham-bato. Taorian'izay ireo mpirotsaka folo ireo dia nanamafy fa tsy hanaiky izay valin'io fifidianana io . Tao anatin'ny fanambaràna iray niombonany , tamin'ny 24 Novambra, dia nilaza indrindra ilay fiarahamientana fa : Tsy ho ekenay ny vokatr'io fifidianana tsy ara-drariny, feno hosoka io, ary tsy andraikitray izay rehetra tsy fitoniana ara-pôlitika sy sôsialy mety ho aterak'izany. Ny andron'ny fifidianana ihany, ny 16 Novambra, ny Transparency International Initiative Madagascar , ny birao malagasy ho an'ny Transparency International (ONG miady amin'ny kolikoly), dia nampahafantatra tao anaty fampitam-baovao an-gazety iray fa toherina ilay fifidianana noho ireo tsy fanarahan-dalàna, herisetra, fanitsakitsahana ny zo maha-olona, ny fitobahan'ny vola tsy fanta-piaviana ary ny fiahiahiana fisiana kolikolim-pifidianana. Taorian'ny fifidianana, ny HCC dia naharay fitarainana miisa dimiambinifoo tany ho any mifandraika amin'ireo fifanolànana ara-pifidianana, izay ny ankamaroany dia nambara fa “azo raisina saingy tsy mitombina”. Niampanga ny filoha teo aloha ho nanao hosoka, ny mpirotsaka avy amin'ny fanoherana Siteny Randrianasoloniaiko ary nilaza tamin'ny AFP fa nametraka fangatahana “ho fanafoanana ireo hetsika ara-pifidianana rehetra natao nanerana ny firenena”, saingy nolavina ny fangatahany. Hoy izy: Fangatahana roa no napetrako mba hangatahana ny fanafoanana ny fifidianana sy fanesorana an'i Andry Rajoelina satria nangalatra izy, nividy ny vaton'ny mpifidy. Ireo rehetra fangatahana ho fanafoanana ny fifidianana noho ireo tsy fanarahan-dalàna maro isankarazany nandritra ny androm-pifidianana sy ireo tsy fetezana tsikaritra tany anatin'ireo fitànana an-tsoratra nampitaina tany amin'ny Commission Électorale Nationale Indépendante ( CENI ) – Vaomiera nasiônaly mahaleotena misahana ny fifidianana- dia tapitra nolavin'ilay fitsaràna avo avokoa no niafaràny, fitsaràna izay ametrahan'ireo avy amin'ny fanoherana fanontanina ny mbola mety ho maha-ara-drariny azy. Ahiahin'ny sehatra iraisam-pirenena Tamin'ny alàlan'ny fampitam-baovao an-gazety , nivoaka ora vitsy monja taorian'ny namoahana ny fandresen'i Rajoelina, nilaza tao amin'ny tambajotra X (Twitter taloha) ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) fa handinika ireo vokatra: Les partenaires internationaux de #Madagascar , prennent acte de la publication par la Haute Cour constitutionnelle des résultats définitifs de l’élection présidentielle du 16 novembre 2023 proclamant vainqueur M. Andry Rajoelina. 📰 : https://t.co/Io8HzwNbwZ pic.twitter.com/7Q6p1IRV2X — La Francophonie (@OIFrancophonie) December 1, 2023 🔴 Fampitam-baovao Ireo mpifanome tànana iraisampirenena amin'i #Madagasikara , dia handinika ilay famoahan ‘ny Fitsaràna Avo Momba ny Lalàm-panorenana ny vokatra ôfisialin'ny fifidianana ho filoham-pirenena natao tamin'ny 16 Novambra 2023 nanambaràna an'Atoa. Andry Rajoelina ho mpandresy. 📰 : https://t.co/Io8HzwNbwZ pic.twitter.com/7Q6p1IRV2X — La Francophonie (@OIFrancophonie)1 Desambra 2023 Kanefa, ilay fikambanana izay ivondronana firenena 88 (Fanjakàna sy governemanta) manerana izao tontolo izao, dia mametraka ihany ahiahy no sady miantso fifampiresahana: Voamariky ny OIF ny fisamantsamahan'ny fiarahamonina malagasy, ary ambarany ny ahiahiny lalina momba izay hiseho aorian'ny fifidianana miaraka amin'ny ambana ambony mety hisian'ny hetsipanoherana sy ireo fifanenjanana maharitra. Voamarikay tokoa fa tsy voavory ireo fepetra rehetra hisian'ny fampiatiana tao anatin'ny zotram-pifidianana, nisy ireo mpirotsaka sasany nanapaka hevitra ny tsy handray anjara tamin'ny fampielezankevitra sy ny fifidianana, nitaky fanavaozana ireo rafitra sy andrim-panjakana natao handray an-tànana sy hanara-maso ny fifidianana. Araka izany dia antsoinay ireo rehetra mpisehatra, ireo mpiara-miombona antoka, mba handray anjara amin'ny famerenana sy fifampitokisana eo amin'izy ireo sy ny fanamafisana ny Tany Tàn-dalàna. Tao anatin'ny fampitàna an-gazety nataony , ny Transparency International Initiative Madagascar nilaza ihany koa fa tsy mahagaga raha ireo vokatra, ary mariky ny fandresen'ny kolikoly, ny vola, ary ny fanaovana izay danin'ny kibony manoloana ny demaokrasia ny fandresena azon'i Rajoelina. Heveriny fa: Ny fanekena ireny voka-pifidianana ireny dia midika ihany koa fanekena ny fanararaotana ny fahantrana fara-tampony ho toy ny teknika farany ho entina mahazo fandreseana amin'ny fifidianana eto Madagasikara, ary tsy azo leferina izany. Madagasikara dia anisan'ireo firenena mahantra indrindra eto an-tany, tamin'ny 2022 dia 75% ny taham-pahantràna voavinavina. Fanehoankevitr'ireo mpampiasa aterineto Tsy tara amin'ny fanehoankevitra mafàna avy amin'ireo Malagasy mpampiasa aterineto ireo tambajotra sôsialy, toa an'i Herizo Raza, mpampiasa ny X izay manoratra ao amin'ny kaontiny hoe: Ne pouvons-nous pas poursuivre Andry Rajoelina ou le gouvernement pour suppression des votes d'environ 40 à 50%, car ils ont quand même persisté à poursuivre et à donner le feu vert à une élection même s'il y avait eu une fraude totale sans autre candidat que lui-même. — Herizo Raza (@HzoHerizo) December 4, 2023 Tsy azontsika atao angaha ny manenjika an'i Andry Rajoelina na ny governemanta noho ny nanafoanany ireo vatom-pifidianana efa ho 40 hatramin'ny 50%, satria izy ireo ihany no nisisika hanohy sy hanome alàlana fifidianana iray na dia nisy aza ny hosoka midadasika tsy nahitàna mpihazakazaka afa-tsy izy tenany ireny ihany. — Herizo Raza (@HzoHerizo) 4 Desambra 2023 Hajo Andrianainarivelo , mpirotsaka avy amin'ny fanoherana manoratra ao amin'ny kaontiny X fa sarin'ady fotsiny ilay fanapahankevitra avy amin'ny HCC: Les nombreuses #irrégularités constatées font de cette election une farce. Le Collectif et toutes les forces vives de la Nation se rejoignent dans des #revendications légitimes. La décision de la HCC sera une mascarade inacceptable. Notre combat continue.🇲🇬 pic.twitter.com/wOopt7FqyR — Hajo Andrianainarivelo (@MrHajoA) November 30, 2023 Ireo #TsyFanarahanDalàna marobe tsikaritra dia mahatonga io fifidianana io ho toy ny somonga. Mifanome tànana ao anatin'ireo #fitakiana ara-drariny ny fiarahamientana sy ireo hery velona rehetra eto amin'ny firenena. Somonga tsy azo leferina ny fanapahankevitra noraisin'ny HCC. Mitohy ny tolontsika.🇲🇬 pic.twitter.com/wOopt7FqyR — Hajo Andrianainarivelo (@MrHajoA) 30 Novambra 2023 Ao amin'ny pejy Facebook Vaovao vao mafana androany (VMA) vondrona iray ahitàna mikambana 56 000, natokana hizaràna ireo vaovao malagasy, misy mpampiasa iray tsy mitonona anarana manoratra hoe : HCC Ambohidahy : Ny kandidà Andry Rajoelina no lany filohampirenena (58,96%) 🇲🇬 📌Androany 01 desambra no nanatanterahana ny lanonam-pitsarana ampahibemaso mikasika ny vokapifidianana filohan'ny repoblika ny 16 novambra lasa teo 🗳 📌Tsy misy didim-panjakana nanafoanana ny fananan'ny kandida Andry Rajoelina ny zom-pirenena Malagasy 📌Nisy nofoanana ny vato azon'ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko tamina birao fandatsaham-bato maherin'ny 10, noho ny fitoriana napetraky ny Kandidà Andry Rajoelina. Zarao @ namana na vondrona (GROUPES) misy anao Ny fanokanana ny filoha vaovao dia voalahatra ho ny 16 Desambra 2023 miaraka amin'ny fanotronan'ireo filoham-panjakàna afriàna marobe. Miomana ny hanao fetibe fankalazana manetriketrika ao amin'ny kianjabe Barea Mahamasina ao Antananarivo , renivohitry ny firenena, ireo mpanara-dia an'i Rajoelina. Ny fanontaniana goavana dia ny hahafantarana raha ho vitan'ireo mpanohitra ihany ny hanetsika ny mpifidy sy hikarakara hetsi-panoherana, na ho vitan'i Rajoelina ihany ny hanatontosa ny andraikiny tsy ho voahelingelin'ireo fiampangàna ho nanitsakitsaka ny dingana sy lalàm-pifidianana.
https://mg.globalvoices.org/2023/12/11/167255/
Senegaly: Bassirou Diomaye Faye no atolotry ny antoko mpanohitra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2024
2023-12-11T03:16:59
Unknown
Sarin'i Bassirou Diomaye Faye, Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube de Tv5monde Tsy ao anatin'ny hazakazaka intsony i Ousmane Sonko, kandida voalohany mpanohitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena any Sénégal, saingy nanolotra an'i Bassirou Diomaye Faye, sekreteran'ny antokony, ho kandidà misolo tena azy izy. Raha maro amin'ireo firenena ao Afrika Andrefana no misedra fitohizam-panonganam-panjakana, manohy ny filalaovana demaokratika i Senegaly ary manomana fifidianana filoham-pirenena amin'ny volana Febroary 2024. Mbola nametraka fisalasalana amin'ny mety hisian'ny fe-potoam-piasana fahatelo i Macky Sall filoham-pirenena amin'izao fotoana izao, voafidy tamin'ny taona 2012 sy voafidy indray tamin'ny taona 2019, saingy nanambara ny tsy filatsahan-kofidiany ihany izy nony farany taorian'ny fihetsiketsehana tany. Nanendry an'i Amadou Ba , Praiminisitra ankehitriny ho mpandimby azy sady kandidàn'ny antoko (Fiarahana ho an'ny Repoblika) Alliance pour la République (APR-Yaakaar) izy. Miampanga ny tsy fahaiza-mitantanan’ ny filoha ireo fihetsiketsehana anti-Sall, notarihan'ny lehiben'ny mpanohitra Ousmane Sonko , filohan'ny antoko (Afrikanina Tia Tanindrazana ao Senegaly ho amin'ny asa, etika sy ny firahalahiana) Patriotes africains du Sénégal pour le travail, l'éthique et la fraternité (PASTEF) ary mahatonga an'i Sonko ho manana ny toerany amin'ny politikan'i Senegaly. Na izany aza, tsy afaka milatsaka izy satria nogadrain'ny rafi-pitsarana Senegaly tamin'ny Jolay 2023 noho ny fanolanana, fanalam-baraka ary fiantsoana fikomiana. Mbola mifaninana ny fanilon'i Sonko Satria handeha hifidy filoham-pirenena vaovao ny Senegaly amin'ny volana Febroary 2024 , olo-malaza ara-politika maro no nanambara ny fikasany hirotsaka amin'ny fifidianana. Kandidà miisa 75 no nanambara fa hirotsaka ary tsy maintsy mahazo fanohanana araka ny lalàm-pifidianana ao amin'ny firenena, araka ny fanazavan'ity tatitra avy amin'ny media Africa24 ity: Mazava ho azy fa tsy maintsy mahazo ny fanohanan’ny depiote 13 sy ben’ny tanàna 120 eo anivon’ny filankevitry ny departemanta eto amin’ny firenena ny kandidà tsirairay. Araka ny filazan'i Papa Ogo Seck, mpandinika ara-politika Senegaley, nitafatafa tamin'ny Africa24 , fanamby lehibe ny fahazoana izany fanohanana izany: “Pour recueillir les 0,6 % de l’électorat ou pour avoir le parrainage des maires, ça risquera d’être un peu compliqué surtout que l’on se rappelle qu’au début avant le discours du 3 juillet du président Macky Sall, l’ensemble des maires avait déjà été réunis donc il semblerait que quelque part, ce parrainage risque de poser beaucoup de difficultés en raison justement du caractère éminemment politique de ce parrainage.” “Mety ho somary sarotra ny hanangonana 0,6%-n’ny mpifidy na ny fahazoana ny fanohanan’ireo ben’ny Tanàna, indrindra raha tsaroantsika fa tany am-boalohany, talohan’ny kabarin'ny filoha Macky Sall tamin’ny 3 jolay, dia efa tafavory avokoa ireo ben’ny tanàna ka mety hiteraka fahasahiranana be izany fanohanana izany any amin'ny toerana iray, noho ny toetra ara-politika misongadina amin'ity fanohanana ity.” Tsy kandidà amin’io fifidianana io intsony i Sonko satria nesorina tao anatin’ny lisi-pifidianana noho ny fiampangana azy. Nofoanan'ny mpitsara ao amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ziguinchor (any atsimon'ny firenena) tokoa io fanesorana io, saingy tsy afaka misoratra anarana intsony ao amin'ny lisi-pifidianana ity mpanao politika ity. Tamin'ny 19 Novambra 2023, nanome tsodrano an'i Bassirou Diomaye Faye i Sonko mba ho kandidàn'ny antoko. Marihina fa nogadraina vonjimaika ihany koa i Diomaye Faye noho ny fanevatevana mpitsara. Saingy nilaza tao amin'ny Tv5monde i El Malick Ndiaye , sekretera nasionalin'ny seraseran'ny PASTEF hoe: Si ce n'est pas Ousmane, ce sera Diomaye. Si ce n'est pas Diomaye ce sera un autre… Raha tsy Ousmane, dia i Diomaye. Raha tsy Diomaye dia ho olon-kafa… Mampiseho mazava izany paikady izany fa hanao hatrany izay hananany mpifaninana amin'ny fifidianana filoham-pirenena taona 2024 ny antoko voalohany amin'ny mpanohitra. Ao amin'ity tatitry ny Tv5monde ity , manazava ny fomba fiasan'ny antoko ny iray amin'ireo mpitantana ny Pastef: Famoriam-bahoaka ao ambadik'i Diomaye Faye Heverina ho manetsika ny ampahany amin'ny mpifidy Senegaly ny safidin'i Bassirou Diomaye Faye. Manaporofo izany ity ranty tao amin'ny tambajotra X (twitter taloha) an'i Fatima Tall , Senegaly iray ity: 🇸🇳🔴 #Senegal Meanwhile, l’adhésion des populations dans le Parrainage pour le compte de Bassirou Diomaye Faye dépasse tous les records de mobilisation! Les Sénégalais Parrainent & financent la campagne du PR Sonko! Mo meun, mo eup dolé, mo gueuneu kharagne! Daniouy Gagné 💪🏽♥️🇸🇳 pic.twitter.com/iD79ZrnsSO — Fatima Tall 🇸🇳🇨🇩🇵🇸🌟 (@timatall) November 30, 2023 #Sénégal Mandritra izany fotoana izany, mihoatra ny firaketana rehetra amin'ny fanetsehana ny fanohanan'ny mponina ho an'i Bassirou Diomaye Faye! Manohana ara-tsonia sy ara-bola amin'ny fanentanam-pifidianan'i PR Sonko ny senegaley! Mo meun, mo eup dolé, mo guuneu kharagne! Daniouy Gagné ♥️ pic.twitter.com/iD79ZrnsSO Toy izany koa, olona maromaro no misafidy ny kandidà Bassirou Diomaye Faye avy amin'ny zanaka ampielezan'i Senegaly , araka ny nambaran'ny biraon'ny antoko any Frantsa Pastef France Officiel amin'ity ranty X ity: 🇸🇳✨ La journée de Parrainage de Bassirou Diomaye Faye en France fut un éclatant succès ! La diaspora sénégalaise a répondu massivement à l'appel, démontrant une mobilisation extraordinaire en faveur du candidat @DiomayeFaye ✅Parrainer @DiomayeFaye , c'est soutenir… pic.twitter.com/MiTnRZgiCf — Pastef_FranceOfficiel (@PastefFrance) November 27, 2023 🇸🇳✨ Fahombiazana namirapiratra ny andro Fanohanana an'i Bassirou Diomaye Faye tany Frantsa! Namaly faobe tamin'ny antso ny ampielezana Senegaly, nampiseho fanetsiketsehana niavaka ho an'ny kandidà @DiomayeFaye Ny fanohanana ara-tsonia an'i @DiomayeFaye dia midika hoe manohana… Raha miasa mafy amin'ny fanangonana fanohanana araka izay tratra ireo mpitolona, ny fanontaniana lehibe dia ny hoe hanana lanja ara-politika mitovy amin'i Sonko, izay mbola mijanona ho safidy ho an'ny mpanatanteraky ny antoko ve i Bassirou Diomaye Faye. Terak'i Ndiaganiao , kaominina ao amin’ny faritra andrefan’i Senegal afovoany, 43 taona, ny kandidà vaovaon’ny antoko Pastef . Nahazo diplaoma tao amin'ny Sekolim-Pirenena momba ny Fitantanam-panjakana (ENA) any Sénégal izy rehefa nahazo mari-pahaizana maîtrise momba ny lalàna tao amin'ny Oniversite Cheikh Anta Diop. Nizotra arakasa amin'ny fitantanan-ketra izy . Amin'ny fananana horirana mitovy amin'ny an'i Ousmane Sonko, niarahan-dry zareo nanangana ny sendikan'ny mpiasan'ny hetra sy ny fananan-tany talohan'ny nananganana ny antoko Pastef. Teo amin’ny lafiny politika indray dia voataonan’ny rainy izay mpikambana ao amin’ny Antoko Sosialista izy. Manome fanadihadiana amin'ny antsipiriany momba ny fanendrena an'i Faye ity lahatsary avy amin'ny France24 ity : Ahoana ny amin’ireo kandidà hafa? Ankoatra ny fanambaràn’i Bassirou Diomaye Faye ny firotsahany hofidiana amin’ny fifidianana ho avy dia tokony hoheverina ireo kandidà hafa matanjaka. Kandidà matotra amin'ny fitantanam-pirenena faratampony Idrissa Seck ao amin'ny antoko politika Rewmi (izay midika hoe “firenena” amin'ny fiteny wolof ). Imbetsaka izy no minisitra teo ambany fitarihan'ny filoha teo aloha ary filohan'ny filankevitra ara-toekarena, sosialy ary tontolo iainana ao Sénégal nandritra ny fitondran'i Macky Sall. Imbetsaka minisitra ihany koa teo ambany fitarihan'i Abdou Diouf , filohan'i Sénégal teo aloha i Khalifa Sall ao amin'ny famoriana ara-politika Taxawu Sénégal . Nosamborina sy nogadraina noho ny fanodinkodinam-bolam-panjakana izy tamin'ny taona 2017 fony izy ben'ny tanànan'i Dakar sady solombavambahoaka ihany koa. Nahazo ny zony ara-politika indray i Sall rehefa nahazo famelan-tsazy avy amin'i Macky Sall tamin'ny taona 2019. Afaka mitondra lanja amin'ity fifidianana ity ihany koa ny kandidà fahatelo amin'ny anaran'i Karim Wade ao amin'ny Parti démocratique sénégalais (PDS). Zanakalahin'i Abdoulaye Wade , filohan'i Sénégal teo aloha, i Karim ka nanararaotra ny maha zanaky ny filoha azy. Mpanolo-tsainan'ny filoham-pirenena, minisitra tamin’ny fotoana nitondran-drainy, fa voampanga ho nanao kolikoly, nanangon-karena tsy ara-dalàna sy nanodinkodina volam-panjakana tamin’ny taona 2013 anefa izy ka voaheloka higadra enin-taona . Hahazo famelan-tsazy ihany koa izy tamin’ny taona 2016 amin’ny alalan’ny didim-panjakana, avy eo nahazo famotsoran-keloka tamin’ny taona 2022 avy amin'i Macky Sall. Manana anjara lehibe ho an'ny mpifidy Senegaly 6,8 tapitrisa mahery (isan'ny mpifidy nandritra ny fifidianana mpanao lalàna 2022) ity fifidianana filoham-pirenena ity. Manosika ny tanora maro hisafidy ny lalan’ny fifindra-monina tsy ara-dalàna an-dranomasina tokoa ny fahantrana sy ny tsy fananan’asa. 21,9 % ny tahan’ny tsy fananan’asa tamin’ny faran’ny taona 2022. Araka ny tatitry ny Transparency International , laharana faha-72 amin'ny firenena 180 ny firenena.
https://mg.globalvoices.org/2023/12/10/167263/
Cop 28, nanambara ny fametrahana tahirimbola heverina hanonerana ireo firenena avy amin'ny ilabolantany atsimo ao anatin'ny ady hanoherana ny fiovaovan'ny toetrandro
2023-12-10T03:24:37
Unknown
Ireo filoham-panjakana nandritra ny lanonam-panokafana ny Cop 28, pikantsarin'ny fantsona YouTube an'ny AFP News Agency Nambaran'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana ho an'ny Toetrandro (Cop28) ny fampandehanana ilay tahirimbola ho an'ny fatiantoka sy ny fanonerana natao hanonerana ireo firenena avy amin'ny ilabolantany atsimo tena marefo manoloana ny fiovàn'ny toetrandro, isan'izany i Afrika. Ankoatra io fanambaràna io, inona no dikany? Ny 30 Novambra hatramin'ny 12 Desambra no atao ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana ho an'ny Toetrandro (Cop28), ao Dubaï, Emirà Arabo Mitambatra. Mivory ao ireo filoham-panjakana sy minisitra, ONG mpiaro tontolo iainana, mpikatroka ho an'ny rariny ara-toetrandro, orinasa tsy miankina, mba hiady hevitra momba ny fiovan'ny toetrandro sy hikaroka vahaolana hanoherana ny vokadratsiny. Isan'ny laharam-pahamehana ho an'ireo mpanelanelana, alohan'ny zavatra rehetra, ny fampihenana ny fandefasana entona mampitombo maripàna, ny fialàna amin'ny angovo fôsily, ary ny famatsiambola ireo hetsika ho an'ny toetrandro, toy ny fampifanarahana amin'ny vokadratsin'ny fiakaran'ny maripàna. Raha nraisina hitafa tao amin'ny Tv5monde , Tosi Mpanu-Mpanu , mpanelanelana avy ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC) hiresaka ireo olan'ny toetrandro, dia nanazava ireo fanamby ho an'i Afrika amin'ity Cop28 ity. Ho azy dia zavadehibe ho an'i Afrika ny mamerina indray ny fahafahan'ireo firenena mandroso mamoaka vola ho fanohanana io tahirimbola ho an'ny fanonerana io, satria ry zareo ireny no tomponandraikitra amin'ny fiovan'ny toetrandro. Raha ny momba ilay tahirimbola ihany, mila fantatr'ireo firenena afrikàna raha toa izy io ka ho fampindramana, fanomezana na fanampiana. Niverenany manokana ny maha-zavadehibe ny fanambaràna tao Nairobi izay miaty ireo fotokevitra ifotoran'ny fifampiresahana. Ao anatin'ity lahatsary ity no anarahana ny antsipirihany, manomboka eo amin'ny minitra faha-18:40 sec. Sambany ho an'i Afrika ny nandraisany anjara tamina adihevitra niaraka tamina antontan-taratasy ôfisialy mirakitra ireo laharam-pahamehana ho an'ilay tanibe. Ireny rehetra ireny voarakitra ao  anatin'ny fanambaràna tao Nairobi momba ny toetrandro nolanian'ireo filoham-panjakana nandritra ny fihaonana antampony momba ny toetrandro any Afrika, natao tao Nairobi ny 4 hatramin'ny  6 Septambra 2023. Io fanambaràna io dia antso ataon'ireo mpitondra afrikàna ho an'ireo manerana ny tany mba “hijoro hanohana ilay tolokevitra hametrahana fomba fitantanana iray hakàna hetra amin'ny karbôna, ao anatin'izany ny hetra alaina amin'ny solika fôsily sy ny fitaterana an-dranomasina ary an'habakabaka” miaraka amin'ny tanjona hahafahana manangona ny tahiry ilaina ho amin'ny fampiasambola iray mitentina 600 lavitrisa dôlara amerikàna. Saingy ity antontan-taratasy maneho ny hevitra iraisan'ny tanibe momba ny fiovàn'ny toetrandro ity dia nokianin'ny fiarahamientan'ireo mpisehatra avy amin'ny fiarahamonina sivily afrikàna miady ho an'ny rariny ara-toetrandro ao amin'ilay tanibe. Ho azy ireo, io fanambaràna io dia tsy manolotra vahaolana afrikàna momba ireo angovo azo havaozina, fa na izany aza, miaty ireo fitakiana sy ireo volavolam-bahaolana. Ohatra, tanisain'ilay lahatsoratra ny  “fampandehanana haingana ilay tahirimbolan'ny fatiantoka sy fanonerana “, iray amin'ireo tolokevitry ny Cop 27 natao tany Egipta tamin'ny 2022. Fanekena tsy nampoizina an'ilay tahiry, dieny tamin'ny andro voalohan'ny Cop Iray tamin'ireo dingana goavana indrindran'ny Cop28 ny fampandehanana ilay tahiry ho an'ny fatiantoka sy ny fanonerana nambara dieny tamin'ny fanokafana ilay kaonferansa ny 30 Novambra 2023. Ireo firenena avy any atsimo, isan'izany i Afrika, marefo indrindra manoloana ny fiovàn'ny toetrandro, no ho mpisitraka izany. Araka io fanambaràna io , ny Emirà Arabo Mitambatra dia hanome 100 tapitrisa dôlara amerikàna ; i Alemaina, 100 tapitrisa ; ny Fanjakana Mitambatra, 40 tapitrisa  livres sterling (51 tapitrisa dôlara amerikàna ) ; Etazonia 17,5 tapitrisa ; Japàna, 10 tapitrisa. Na izany aza, nifamahofaho be ihany ny fanehoankevitra teny anivon'ireo mpikatroka ho an'ny rariny ara-toetrandro, ireo mpiaro tontolo iainana sy ireo manampahaizana hafa. Ao anaty lahatsoratra iray, mitatitra ny Radio France Internationale (RFI): Tsy nampozin'ny rehetra ny fametrahana io tahirimbola natokana ho an'ny fanonerana ny loza ateraky ny fiovàn'ny toetrandro io, lany tao anatin'ny ora roa nanombohan'ny fihaonamben'ny Firenena Mikambana ho an'ny toetrandro, tamin'ity Alakamisy 30 Novambra ity teto Dubaï. Voatanisa ao anaty lahatsoratra iray an'ny RFI , Fanny Petitbon , tomponandraikitry ny adisisika ao amin'ny Care France (ONG firaisankina iraisampirenena mitolona ho amin'ny fanoherana ny fiovàn'ny toetrandro) no sady vehivavy manampahaizana manokana amin'ny tahirimbola ho an'ny fatiantoka sy fanonerana , dia mihevitra fa vokatry ny tolona efa hatry ny ela io: Izay mitranga androany dia vokatry ny ady mafy nataon'ireo firenena andalam-pandrosoana nandritra ny 30 taona nikiakiaka nitady fanampiana manoloana ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina, manoloana ny haintany, manoloana ireo vokadratsy izay tsy ry zareo akory no tomponandraikitra kanefa tsy ananany akory ny fitaovana entina miady amin'izany. Herintaona latsaka monja dia nahazo fankatoavana ho fametrahana azy. Ankoatra ireo fanambaràna, midika inona ireo tarehimarika? Tao anaty naoty navoakany tamin'ny 30 Novambra,, ny Oxfam , fikambanana britanika mpanao asa soa, dia miarahaba ireo dingana firosoana tamin'ny fametrahana ilay tahiry voalaza,  saingy manipika fa ny dingana manaraka dia ny fanetsehana ny vola sahaza. Lyndsay Walsh, mpanolotsaina momba ny pôlitika ara-toetrandro ao amin'ny Oxfam milaza hoe : Taorian'ny 32 taona nanaovana tsindry sy ny Cop27, ananantsika izao ny tahiry iray ho an'ny fatiantoka sy fanonerana. Na eo aza ireo lesoka ao anatin'ny firafiny, efa dingana iray io ho fanohanana ireo olona miarina avy amin'ireo vokadratsy goavana sy tsy azo iverenana intsony naterak'ireo loza noho ny toetrandro. Kanefa, tsy mbola eo no fiafaràn'ny dia. Mbola marobe no tsy maintsy efaina mba hiantohana fa hofenoin'ny Banky Iraisampirenena, amin'ny maha-mpampiantrano vonjimaika azy, ireo fepetra voalaza ao anatin'ilay lahatsoratra nifanekena, indrindra fa ireo loharanon'ilay tahiry dia hanasoa mivantana ireo vondrom-piarahamonina ary ireo hetsika ataony dia hifanaraka amin'ireo fotokevi-dehiben'ny zon'olombelona. Ho an'ireo mpiaro tontolo iainana, ny masombola nambara dia tena tsy ampy lavitra mihitsy . Ankoatra izay, ilay endrika tsy misy fanerena ao anatin'ilay fandraisana anjara amin'ilay tahiry dia mety hampitarazoka ny fanangonam-bola amin'ny ankapobeny. Mijanona ho olana lehibe io famatsiambola io ho an'ireo firenena afrikàna izay tena iharan'ny fiovàn'ny toetrandro na dia zara fa manana andraikitra amin'ny fandefasana entona mampiakatra maripàna aza ry zareo. Araka ireo tombantombana, 4% monja  amin'ny entona mampiakatra maripàna eto amin'ny planeta no andraikitr'i Afrika . Ho an'ny Firenena Mikambana , firenena vitsy an'isa no tomponandraikitra amin'ny ampahany betsaka amin'ireo fandefasana entona mampiakatra maripàna, isan'ireny i Shina, India, Etazonia, Rosia, ny Fiombonambe Eorôpeàna, Indonezia ary Brezila, firenena fito goavana indrindra mandrafitra ireo vitsy an'isa amin'ny fandefasana entona mampiakatra ny maripànan'ny tany. Izy rehetra mitambatra, ireo firenena ireo no tomponandraikitra tamin'ny efa ho antsasaky ny entona mampitombo maripàna nanerana izao tontolo izao tamin'ny 2020. Fanehoankevitra teny anaty tambajotra sôsialy Joy Koech , vehivavy keniàna mpikatroka ho an'ny tontolo iainana dia namoaka toy izao tao amin'ny kaontiny X(Twitter taloha): Day 1 at COP28: Developing countries urgently need a minimum of $100 billion for loss and damage. The pledged $400 million from developed countries is a mere drop in the ocean. We must prioritize and mobilize more financial support to address the climate crisis. #COP28 pic.twitter.com/D3UNXcQqgQ — Joy Koech (@Thisischero) December 1, 2023 Ity famoahana ity dia fampahatsiahivana fotsiny ihany ireo fitakiana voarakitra ao anatin'ny fanambaràna tao Nairobi momba ny toetrandro izay mitaky amin'ireo firenena manankarena hanaja ny fanolorantenany hanome 100 lavitrisa dôlara amerikàna isantaona ho an'ny toetrandro, toy izay nampanantenaina tamin'ny 2009, nandritra ny kaonferansa tao Copenhague . Teresa Anderson, tomponandraikitry ny rariny ara-toetrandro ao amin'ny ActionAid (tambajotra erantany misy ireo olona manolotena hiaro ny zon'ny vehivavy, ny rariny ara-toetrandro sy ny fampitsaharana ny fahantrana), tao amin'ny kaontiny X, dia niarahaba ny fandraisana anjaran'ny Emirà Arabo Mitambatra sy ny anjara toeran-dry zareo ao anatin'ny fampahatsiahivana ny andraikitr'ireo hafa mpandoto : As the historic #LossAndDamage Fund is agreed at #COP28 “The UAE contribution of $100 million is welcome, for its solid cash & for the pressure it puts on the world’s biggest polluters to step up &recognise their responsibility,” Me for @ClimateHome https://t.co/GblrFuEGRM — Teresa Anderson (@1TeresaAnderson) November 30, 2023 “Tena ankasitrahana ilay 100 tapitrisa dôlara amerikàna avy amin'i Emirà Arabo Mitambatra, noho ny tahirimbolany matanjaka sy ny tsindry ataony amin'ireo goavana indrindra mpandoto eran'izao tontolo izao mba hampitomboan-dry zareo sy hanekeny ny andraikiny”, Izaho maka ny @ClimateHome Mandritra ity fivoriana goavana fanimpiriny momba ny toetrandro ity, tsy miova ireo fanamby goavana ho an'ny planeta sy Afrika manokana: ny fialàna na fampihenàna ny angovo fôsily, ny fidirana amin'ny angovo azo havaozina, ny fampihenàna ny fandefasana entona mampitombo maripàna ho tonga amina haavo azo atao faran'izay akaiky indrindra ny aotra. Ny fanontaniana fototra dia ny hahafantarana ny ho fomba fiasan'io tahirimbola nambara io sy ny hoe iza no hatao laharam-pahamehana voalohany.
https://mg.globalvoices.org/2023/12/09/167294/
Amin'ny 2024, hihovitrovitra miaraka amin'ny CAN andiany faha-34 i Afrika
2023-12-09T05:55:05
Unknown
Côte d'ivoire, mpandresy tamin'ny CAN 2015. Pikantsary tamin'ny fantsona YouTube African Football Hitodika any Côte d'Ivoire daholo ny mason'ireo mpankafy baolika kitra erantany, manomboka ny 13 Janoary hatramin'ny 11 Febroary 2024, fotoana hanatanterahana ilay fifaninanana ara-panatanjahantena goavana indrindra ho an'ny tanibe afrikàna, ny “Coupe d'Afrique des Nations (CAN)”. Ny Repoblikan'i Côte d'Ivoire no firenena mpikarakara ny CAN andiany faha -34 . Tany am-boalohany dia volahatra ho eo anelanelan'ny Jona sy Jolay 2023 , nahemotra ho amin'ny fiandohan'ny taona 2024 ny daty hanaovana ity hetsika ity noho ny antony ara-toetrandro. Tao anaty lahatsoratra iray an'ny Africanews taorian'ny fihaonana iray nataon'ny kaomity mpanatanteraka avy amin'ny Confédération africaine de football (CAF) natao tany Rabat , renivohitr'i Maraoka , nanazava i Patrice Motsepe, filohan'ny CAF hoe: Ny Janoary sy Febroary 2024 no hotanterahana ny CAN. Tsy afaka atao ny handray risika hanao fifaninanana anaty oram-batravatra. Tsy tsara ho an'ny baolina kitra afrikàna sy ny sariny izany. Raisinay ny fanapahankevitra saingy resaka fanajàna ilay izy. Hevitra maro no nalaina ary nilaza taminay ny olona sasany fa misy ny fiovan'ny toetrandro, ary angamba tsy ho olana ny resaka orana. Saingy ireo torohevitra voaray dia ny hoe tsy afaka atao ny handray risika. Araka izany dia nanery ireo mpitantana ny baolina kitra afrikàna ho amin'ny fanovàna tetiandro ny fiovàn'ny toetrandro. Ireo hiady ny anaram-boninahitra Hatramin'ny nametrahana ity fifaninanana ity, nivoatra tsikelikely ny isan'ireo ekipa mpandray anjara. Tamin'ireo andiany roa voalohany natao tamin'ny 1957 sy 1959 dia nahitàna firenena telo ( Egipta , Etiopia ary Sodàna ). Lasa efatra tamin'ny andiany fahatelo natao tamin'ny 1962 , ary ny tamin'ny 1963 sy 1965 dia enina. Nanomboka tamin'ny andiany faha-32 natao ny 2019 tany Egipta, nitombo ho efatra ambiroapolo ny isa. Io fanapahankevitra io dia tonga tao anatina vanimpotoana iray izay niainan'ny baolina kitra afrikàna ny fihavaozana ho maoderina kokoa. Nanomboka nisary zoro tamin'ireo firenena goavana tamin'ny sehatry ny baolina kitra ireo firenena tsy dia nahoana loatra teo amin'ny sehatra kaontinantaly, dia ireo goavana izay nisy an'i Kamerona, Egipta, Ganà, Côte d'Ivoire, Alzeria, Maraoka ary Nizerià. Indro anaty lahatsary ny hira fanevan'ny CAN 2023: Ho an'ny CAN andiany faha-34, efatra ambiroapolo ireo mpifaninana. Notsinjaraina ho vondrona enina ahitana ekipa efatra avy ireny firenena ireny. Ny vondrona A dia nisy an'i Côte d'Ivoire,  Nizerià,  Guinée Équatoriale ary Guinée Bissau. Ny vondrona B dia nahitàna an'i Egipta, Ganà, Cap-Vert ary Môzambika. Raha tao amin'ny vondrona C kosa, nisy an'i Senegal, Kamerona, Guinée ary Gambia. Ny vondrona D dia niraisan'iAlzeria, Burkina-Faso, Maoritania ary Angôlà. Tonizia, Mali, Afrika Atsimo ary Namibia no nandrafitra ny vondrona E, fa ny tao anaty vondrona F dia ry Maraoka, Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, Zambia ary Tanzania. Manomboka ny 13 Janoary dia samy hifaninana ireny firenena ireny mba hanandrana handrombaka ilay anaram-boninahitra tompondakan'i Afrika eny an-tànan'i Senegal. Eny tokoa, nandritra ny andiany 2021 nokarakaraina tao Kamerona dia sambany i Senegal no voahosotra ho tompondakan'i Afrika nanoloana an'i Egipta izay efa im-pito tompondakan'i Afrika, . Ho averin'i Senegal hiadiana sy andramana hotazonina indray izany ilay amboara azony. Hatramin'ny 1968, isaky ny roa taona no anaovana ilay fifanintsanana (taona ankasa). Saingy niova ny raikipohy nanomboka tamin'ny 2012: ny 2013 no hatao ny fiadiana amboara – taona tsy ankasa. Io dia fanahapankevitra taorian'ny finiavan'ireo mpitarika ny CAF hanamaivana ny tetiandron'ireo ekipa ao amin'ny tanibe mandritra ireo taona hiadiana ny ho Tompondaka Erantany izay isaky ny efatra taona no atao, taona ankasa. Andrasana ireo kintan'ny kitra afrikàna Ho an'ireo kintana goavan'ny kitra afrikàna dia fotoana ihany koa io fifanintsanana io mba hanamafisan-dry zareo ny fanjakàny eo amin'ny sehatra kaontinantaly. Ireo kintana toa an-dry: Sadio Mane , lohalaharana mpanafika ao Senegal sy ao amin'ny klioba saodiàna Al-Nassr , Mohamed Salah , lohalaharana mpanafika ao  sy ao amin'ny klioba anglisy Liverpool , Victor Osimhen , lohalaharana mpanafika ao amin'ny klioba italiàna Naples sy Nizerià izay voafidy ho ny mpampidi-baolina mendrika indrindra tamin'ireo fifanintsanana ho an'ny CAN2023, niaraka tamin'ny  baolina folo tafiditra ho an'i Nizerià, dia samy mbola hampiseho ny talentan-dry zareo. Azo tanisaina ihany koa ry Andre Onana , mpiandry tsatokazo kameroney sy ao amin'ny klioba anglisy Manchester United , Wilfried Zaha , lohalaharana mpanafika ao  Côte d'Ivoire sy ao amin'ny klioba tiorka Galatasaray , Riyad Marhez avy ao Alzeria sy ao amin'ny klioba saodiàna Al-Ahli FC . Ankoatra ireo kintana efa voamarina fa ho avy dia  andrandrain'ireo mpanaraka ny kitra afrikàna ihany koa mandritra ilay fifaninanana ny hahita ireo tanora vao misondrotra. Tsy lany talenta vao mihitsy tokoa aloha raha ilay kaontinanta: ny tranonkalam-baovao momba ny fanatanjahantena 90min dia milaza fisiana tanora folo mety ho tafiditra anatin'ny tantaran'ilay fifaninanana. Ao anatin'io lisitra io ireo tanora mpilalao toa an'i Farès Chaïbi avy any Alzeria, Karim Konaté sy Simon Adingra avy any Côte d'Ivoire, Amir Richardson avy any Maraoka, ary maro hafa. Vonona ve ireo fotodrafitrasa? Toeram-pilalaovana miisa enina miparitaka amina tanàna dimy ao Côte d'Ivoire no voatondro handraisana ilay fifaninanana. Ao Abidjan (renivohitra ara-toekarena ao atsimon'ny firenena), toeram-pilalaovana roa: Alassane Dramane Ouattara d’Ebimpe manana toerana 60 000 sy ny toeram-pilalaovana Félix Houphouet Boigny manana toerana 45 000. Ao Yamoussoukro (renivohitra pôlitika ao afovoany-atsimo), ny toeram-pilalaovana Charles Konan Banny manana toerana 20.000. Ny toeram-pilalaovana “Stade de la Paix” ao Bouaké (afovoan'ny firenena) manana toerana 40 000; ny toeram-pilalaovana Amadou Gon Coulibaly manana toerana 20 000 ao Korhogo (tanàna any avaratry ny firenena) ary ny toeram-pilalaovana Laurent Pokou manana toerana 20 000 ao San Pedro (any atsimon'i Côte d'Ivoire). Tamin'ny Septambra 2023, nisy orambe iray nahatondraka ny toeram-pilalaovana Alassane Dramane Ouattara d’Ebimpe nandritra ny lalaom-pirahalahiana iray nihaonan'i Côte d'Ivoire sy Mali. Afaka hita ao anatin'ity ranty iray tao amin'ny X (Twitter taloha) ity ny endrik'ilay toeram-pilalaovana: Le match amical Côte d'Ivoire vs Mali annulé du fait de l'inondation du stade Alassane Dramane Ouattara d’ #Ebimpé construit dans le cadre de l'organisation de la CAN en janvier prochain #CIVMAL pic.twitter.com/32zEgLXlos — Azur Entertainment (@AzurEntertainm1) September 12, 2023 Nofoanana ny lalaom-pirahalahiana nihaonan'i Côte d'Ivoira sy Mali noho ny fahatondrahan'ny toeram-pilalaovana Alassane Dramane Ouattara d’ #Ebimpé namboarina ho isan'ny fikarakaràna ny CAN amin'ny Janoary ho avy izao #CIVMAL pic.twitter.com/32zEgLXlos — Azur Entertainment (@AzurEntertainm1) 12 Septambra 2023 Mba hisorohana ireo fanelingelenana mety hitranga amin'ny hoavy, noraisin'ireo manampahefana ny fanapahankevitra hanampy tafo amin'ilay toeram-pilalaovana izay mitondra ny anaran'ny filoha amperinasa amin'izao fotoana izao ao amin'ny firenena, araka ny asehon'ity ranty iray ity ao amin'ny X an'ny Prom'Ivoire , pejy iray mpampita vaovao ivoariàna : La toiture du Stade Olympique Alassane Ouattara d'Ebimpé 🇨🇮❤️ pic.twitter.com/0pPko28P04 — PROM’IVOIRE 🇨🇮 (@Prom_Ivoire) November 30, 2023 Ny tafon'ny Stade Olympique Alassane Ouattara d'Ebimpé 🇨🇮❤️ pic.twitter.com/0pPko28P04 — PROM’IVOIRE 🇨🇮 (@Prom_Ivoire) 30 Novambra 2023 Toy ny efa vonona ny zavatra rehetra ao Côte d'Ivoire ho fanatanterahana ny fanamby hikarakaràna ilay goavana indrindra amin'ireo fifaninanana ara-panatanjahantena ao Afrika. Eny anivon'ny fiarahamonina ivoariàna, ny baolina kitra no fanatanjahantena malaza indrindra ary manana lanja lehibe. Ireo klioba kitra ao amin'ny firenena dia, tany aloha tany, nanjakazaka tamin'ny kitra afrikàna ary efa voahosotra ho tompondaka tamina fifaninanana isankarazany teo amin'ny kaontinanta, ohatra ny Asec Mimosas , Africa Sports , Stella Club . Côte d'Ivoire dia mamokatra ihany koa mpilalao goavana ho an'i Afrika, toa an-dry Didier Drogba , Yaya Touré , Laurent Pokou , Habib Kolo Touré , Didier Zokora izay heverina ho toy ny ivoariàna mpilalao mendrika indrindra hatrizay. Ity CAN andiany faha-34 ity dia ho soa fanararaotra ihany koa ho an'ny firenen'i Alassane Ouattara mba hanohizana ny fahavitrihany ara-toekarena . Hahita tombony amin'izany ireo mpivarotra madinika, amin'ny alàlan'ny famarotana ny asatànany amin'ireo vahiny, toy izany ihany koa ireo orinasa vaventy satria matetika ireny fihaonana goavana ireny dia sady fotoana fanaovana fifampiraharahana ara-barotra. Tamin'ny Septambra 2023, François Albert Amichia , minisitry ny fanatanjahantena sy ny fialamboly ao Côte d'Ivoire dia nilaza fa orinasa 350 no vonona hampifamatotra ny anaran-dry zareo amin'ilay hetsika. Ireo zo amin'ny fampitàna TV ny CAN 2023 dia efa nomena ho an'ny vondrona fahitalavitra tôgôley New World TV izay afaka kosa indray manome zo fampitàna ho an'ireo media hafa, isan'izany ireo ao Côte d'Ivoire. Milaza io vondrona io fa: New World TV no solontenan'ny CAF amin'ny fitsinjaràna ny zo ho afaka hiditra maimaimpoana, miaraka amina lisansa omena ireo fantsona nasiônaly avy amina firenena 46, sy ho an'ireo zo aloa vola, ka ny fahafahana miditra amin'izany dia ilàna ireo “décodeurs ” avy amin'ny New World TV
https://mg.globalvoices.org/2023/12/08/167190/
Ny fomba nahatonga ny rugby ho anaty ADN-n'ireo Afrikàna Tatsimo
2023-12-08T04:55:51
Unknown
Springboks, ekipam-pirenena afrikàna tatsimo manandratra ilay Amboara Erantany 2023 . Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube « Fandalinana ny rugby | Fomba ahoana no nandresen'i Afrika Atsimo tamin'ny lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany 2023 ? » tao amin'ny Black Jersey Analysis “fandalinana ily fanamiana mainty. Fampiasàna ara-drariny. Nandritra ny lalao famaranana nampientanentana tamin'ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany Rugby [fr] tao amin'ny Stade de France [fr], ny Sabotsy 27 Oktôbra , ireo Springboks mahatahotra, ekipam-pirenena afrikàna tatsimo mpilalao “ rugby à XV”, no nahazo ny fandresena 12-11 tanaty lalao henjana nanoloana ny All Blacks, ekipa avy any Nouvelle Zélande. Ankehitriny, mitàna ny toerana voalohany erantany amin'ny rugby, ry zareo Springboks no tompondaka erantany, manana ny zavabita tsara indrindra, fandresena efatra tamina fiadiana ny ho Tompondaka Erantany ( 1995 [fr], 2007 [fr], 2019 [fr] et 2023 ) [fr]. Ry zareo no firenena faharoa nahazo fandresena nifanesy tamina Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany (2019 sy 2023), taorian'ireo mpifanandrina goavana aminy, ny All Blacks, izay ekipa faharoa nahomby indrindra teo amin'ny tantaran'ny rugby. Fa mbola mipetraka ny fanontaniana : ahoana no nahatongavan'i Afrika Atsimo teny amin'io tampony io ? Neken'ireo Afrikàna Tatsimo avy amin'ny lokon-koditra samihafa ny ekipa iray izay fon'ireo Afrikaners (sy ny apartheid) taloha, fomba ahoana no nahatongavany tamin'izany? Alohan'ny handehanana lalindalina kokoa, ndeha hiainantsika… indray… ny fotoana nahatonga ny Springboks ho lasa ekipa goavana indrindra amin'ny rugby erantany : @rugbyworldcup Fandresena mifanesy ny an'ny Springboks 🏆 #RWCFinal #RWC2023 #rugby ♬ som original – WE ARE 00h.03m 🇨🇭 Situation right now at Mall of Africa in Waterfall. Thousands of people are here with us. WE DID IT SOUTH AFRICA!!! We won the Rugby World Cup again. For a record 4th time. In God we trust. The whole country is not sleeping tonight. 🔥🔥🇿🇦 #Springboks #RWCFinal #RWC2023 … pic.twitter.com/6pX1Zr65aE — Toko Masemola (@TokoMasemola) October 28, 2023 Ny zavamisy amin'izao fotoana izao ao amin'ny Mall of Africa ao Waterfall. An'arivony maro ireo olona miaraka aminay eto. AZONTSIKA ATY AFRIKA ATSIMO ILAY IZY!!! Azontsika indray ny Tompondaka Erantany amin'ny Rugby. Ho firaketana faninefany. Andriamanitra no itokiantsika. Tsy mandrimandry ny firenena manontolo amin'ity alina ity. 🔥🔥🇿🇦 #Springboks #RWCFinal #RWC2023 … pic.twitter.com/6pX1Zr65aE — Toko Masemola (@TokoMasemola) 28 Oktôbra 2023 Ao Afrika Atsimo, manana lanja tsy manam-paharoa ny rugby. Izy no namolavola ny tantaran'ilay firenena, ny Springboks no mariky ny hambom-po sy ny firaisankinam-pirenena. Nekeni Nelson Mandela ny fahafahan'ny rugby mandray anjara amin'ny fampihenàna ireo fivakivakisana eo amin'ny samy Afrikàna Tatsimo, maintsy sy fotsy, ary ny fahafahany mampiroborobo hambom-po ikambànana. Fotoana iray niavaka teo amin'ny tantaran'ny fanatanjahantena sy ny firenena io, rehefa nentanin'i Mendela ny firenena mba hitambatra mialohan'ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantanin'ny Rugby 1995, toy izay asehon'ilay fanadihadiana ao amin'ny fantsona YouTube an'ny CBC News mitondra lohateny hoe The Real Invictus: How Nelson Mandela united South Africa through sport (ny fomba nampiraisan'i Mendela an'i Afrika Atsimo tamin'ny alàlan'ny fanatanjahantena )  : Kanefa, ho an'ny sasany, ny fanamian'ny Springboks dia mbola mijanona ho marika maneho ny fanjakazakàn'ireo fotsy hoditra vitsy an'isa mpamoritra tao amin'ny firenena. Ny tantaran'ny rugby tao Afrika Atsimo Tamin'ny 1948 ny rafitra apartheid [fr] no teraka tao Afrika Atsimo, rehefa tonga teo amin'ny fitondràna ny Antoko Nasiônaly afrikaner , antoko pôlitika iray izay nahitàna betsaka an'ireo Afrikaners, taranak'ireo Hôlandey, Frantsay, Alemàna mpanjanaka tao Afrika Atsimo. Ny fahambonian'ireo fotsy hoditra vitsy an'isa no nianteheran'ilay antoko ary notadiaviny ny hametraka governemanta iray hanome vàhana io vondrona io. Noho io rafitra io, ry zareo fotsy hoditra vitsy an'isa no nifehy ny endri-piainana maro tao Afrika Atsimo, tamin'ny lafiny pôlitika, sôsialy ary toekarena, nametraka ho ara-drafitra ny fanavakavahana ara-poko. Araka ny lahatsoratra iray an'i Farrel Evans , io antoko io dia nanana fifamatorana akaiky tamin'ilay tarika mpilalao rugby tao amin'ny firenena. Nandritra ireo sivifolo taona voalohany nisiany dia zava-panaon'ilay tarika ny tsy maka afa-tsy fotsy hoditra hilalao ao aminy. Noraisin'ny antoko ho fahombiazany ihany koa ny fahombiazana azon'ilay tarika ary matetika izy no nampiasa ilay tarika ho toy ny fomba iray hanondrotana ara-poltika ireo mpikambana ao anatiny . Ny gazela Springbok, biby amantarana ilay tarika mpilalao rugby, dia marika namantarana ny antoko nasiônaly apartheid efa hatrany amin'ny 1996. Notadiavin'ireo afrikàna tatsimo mainty hoditra izay handravàna io marika io, fa i Mandela kosa nikaroka tetikady fampiraisana mba hahafahan'ireo Afrikaners mitazona azy io ho toy ny fomba iray hampivondronana ny firenena. Tamin'ny 1995, sambany tonga tany amin'ny lalao fiadiana ny ho Tompondaka Erantany ilay tarika, rehefa nampiantrano an'ilay fifanintsanana i Afrika Atsimo, firenena vao avy niroso ho amin'ny demaokrasia . Fotoana iray tena niavaka teo amin'ny tantaran'i Afrika Atsimo ny lalao famarànana ny fiadiana ho Tompondaka Erantany rugby 1995 nihaonan'i Afrika Atsimo sy  Nouvelle-Zélande, nanamarika ny firaisam-pirenena taorian'ny niafaràn'ny apartheid. Efa ho 28 taona taty aoriana, mbola tompondaka erantany indray i Afrika Atsimo, rehefa in'efatra nandrombaka ny amboara erantany, nisongona an-dry zareo All Blacks tamin'ny isa betsaka indrindra ami n'ny anaram-boninahitra azo teo amin'ny tantara. Tena niavaka be io zavabita io raha jerena ny fanilihana an-dry zareo nandritra ireo lalao roa fiadiana ny ho Tompondaka Erantany tamin'ny 1987 [fr] sy 1991 [fr] noho ny rafitra apartheid nisy tao amin'ilay firenena. Ireo fandresena vao haingana azon'ny Springboks tamin'ny Amboara Erantany 2019 sy 2023 dia teo ambany fitarihan'i Siya Kolisi [fr], ilay voalohany tamin'ireo lehilahy mainty hoditra nitaona fanahy lasa kapitenin'ny ekipam-pirenena. Nanamarika dingana iray hafa goavana teo amin'ny tantaran'ny rugby tao amin'ny firenena izany. Manaraka ny baolina kitra dia ny rugby no fanantanjahantena malaza indrindra ao Afrika Atsimo, manana efa ho 10 tapitrisa mpanaraka azy ao anatin'ireo vahoaka mihoatra ny 60 tapitrisa . Ny lazan'io fanantanjahantena io ao Afrika Atsimo dia hita taratra ihany koa any anatin'ireo mpilalao mihoatra ny 804 279 voasoratra anarana ao amin'ny firenena, izay faharoa ambony indrindra erantany; manaraka an'i Angletera. Araka ny lahatsary YouTube iray an'ny Ruby Pod , ny fanjakazakàn'i Afrika Atsimo ao anatin'ny rugby dia , angamba, azo avy amin'ny fotodrafitrasa miavaka nomen'ny firenena ho an'io fanatanjahantena io, indrindra fa ireo kianja lafatra, ireo toerana fanazaran-tena ary ireo soa fanararaotra hafa. Asongadin'ilay lahatsary fa, mifanohitra amin'ny an'ireo firenena hafa, ny rafitra fampilalaovana rugby an-tsekoly, any amin'ny kôlejy sy eny amin'ny anjerimanontolo ao Afrika Atsimo dia tena tantanina amin'ny fomba matianina, miasa ho toy ny taninketsa voalohany ho an'ireo tanora mpilalao mba ho hahitàna an-dry zareo. Ohatra ny Craven Week [fr], natomboka tamin'ny 1964, dia manolotra ho an'ireo ankizy mpianatra ny fiofanana iray avo lenta kokoa noho ny rugby an-tsekoly mahazatra, miasa ho toy ny toeram-pikotrehana talenta ho an'ireo tarika isam-paritra. Ho an'ireo mpitily talenta, ilay fifaninanana dia lasa toerana fihazàna, hikarohana ireo andiantaranaka hoavy handrafitra ireo kintan'ny rugby. Ny fahamatorana entin'i Afrika Atsimo mikarakara ny rugby dia voatsipika ihany koa any anatin'ireo fantsona marobe natokana ho an'ny rugby miresaka ny rugby anaty klioba, an-tsekoly na any amin'ny anjerimanontolo, ary hatramin'ireo lalao matianina. Tena zavadehibe ihany koa ny rugby eny amin'ny anjerimanontolo. Amin'ny fomba matotra no fomba itantanan'ny anjerimanontolo tsirairay azy io, ary manana ny liginy azy manokana, manana ny ekipany manokana, ny diviziôna arakaraky ny taona ary manana ny akademiany. Kanefa, ny rigby afrikàna tatsimo, amin'ny antanan-tohatra rehetra, miainga avy amin'ireo kianja tantanin-tsekoly tsy miankina ka hatrany amin'ireo ligy matianina, dia mbola ny fotsy hoditra hatrany no mibahan-toerana ao amin'ilay firenena izay 80 isanjatony no mainty hoditra . Io tsy fitsinjarana ara-poko io dia mitohy miteraka ahiahy momba ny fampiatiana . Na inona na inona mety ho tombon-dahiny na tsia ho azon'ireo Afrikàna Tatsimo eny ambony kianja, mibaribary ny hoe tena mankafy rugby ilay firenena. Lasa ho isan'ny ADN ao anatiny mihitsy izany nandritra ny tantara, nandrafitra kolontsaina safatsiroa (=tokamiavaka). Ny fahombiazan'ilay firenena teo amin'ny sehatra irasampirenena, indrindra fa nandritra ireo fifanintsanana niadiana ny ho Tompondaka Erantany, dia nandray anjara betsaka tamin'ny fampiraisana ny firenena sy amin'ny fametrahana ny fitiavana ilay lalao . Tsy hay ho hadinoina ny fitaomana nananan'i Mendela tamin'ny rugby tao amin'ny fireneny. Raha tsy novainy ny filalao sy ny marika famantarana ny Springboks, naveriny nofaritana kosa ireo dikany nomena azy ireny, namadika ny rugby ho lasa hery iray nampitambatra ho an'i Afrika Atsimo manontolo, eny ambony kianja sy any ivelany.
https://mg.globalvoices.org/2023/11/28/167145/
‘Ilaina atonta ao anivon'ny fireneny ny literatiora gabône': Antsafa niarahana tamin'i LePresqueGrand Bounguili, pôeta sady mpikatroka ho an'ny literatiora
2023-11-28T11:42:44
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Voice4Thought. Matetika i Gabôna no tanisaina ho maodely ara-toekarena ao amin'ny faritra , firenena manana loharanon-karena ankibon'ny tany sy ny ala. Saingy moa ve tsy ny kolontsainy no tena harena ho an'ny vahoaka? Mba hamantarana misimisy kokoa ny literatiora gabône, ny Global Voices dia nitafa tamin'i LePresqueGrand Bounguili , pôeta sady olon'ny anjerimanontolo gabône mipetraka any Kanadà, ary mpanentana anatina hetsika marobe miompana amin'ny tononkalon'ny fireneny manontolo amin'ny fiteny frantsay, fitenin'ny mpanjanaka azy fahiny. Tamin'ny alàlan'ny imailaka no nanaovana ny antsafa, ary nasiam-panovàna kely teo amin'ny lafiny endrika sy halavàny. PresqueLegrand, saripika nahazoana alàlana Filip Noubel (FN): Misolo tena an'iza ilay fiaraha-mientana #LoSyndicat najoronao? Amin'ny maha-fikambanana ara-kolontsaina ara-dalàna azy, ny #LoSyndicat dia mametraka ny fanelezana, amin'ny ankapobeny, ny kolontsaina ary manokana amin'izany ny literatiora, ho amin'ny laharan'ny asa tena manafaka indrindra, ka ny tena lasibatra voalohany dia ireo tanora. Araka izany, nandritra ny efatra taona, nikarakara hetsika telo lehibe ny fikambanana: La Semaine Considérable izay mampiroborobo kokoa ny dingana fakàn-tàhaka isaky ny sehatra tsirairay misy an-dry zareo na ireo tetikasa manandratra; Ny fetibe Les Powêtudes izay mankalaza ireo pôezia avy ao Afrika sy avy any an-kafa ary koa ny Androm-pirenena ho an'ny Pôezian'ny Fahaleovantena (JNPI) izay, araka ny lazain'ny anarany, mampivady ny hiaka sy ny soratra pôetika amin'ireo olana mavaivay mahakasika ny fahaleovantena tena izy ho an'ireo vahoakan'i Afrika. Tsy maintsy tsipihana ny fomba firoso mijery ny hafa natombokay : raha ny marina,  tamin'ny alàlan'ireo asa soratra niraisanay ( Souffle équatorial, La Liberté est têtue, Anto ), dia nandray anjara araka izay mba vita izahay nanohana ireo hetsika ara-piarahamonina toy ny fanarenana trano iray famakiamboky ( Imya ) tao Port-Gentil [tanàna faharoa ao Gabôna] natsangan'i Sylvie Meviane Fourn; na koa ny fanohanana sy ny fanomezan-danja ny ONG Fille Femme et Fière natombok'i Mam Kumb. Ny fifantohan-tsaina nomena ireo tetikasa roa ireo dia manjohy koa ny fanirianay ho eo anilan'ny  santatr'andraikitr'ireo vehivavy mpitondra idealy. Indro ny iray amin'ireo hira mampiavaka ny fiangalin'i Pierre Akendengué: FN:  Ahoana no hamaritana ireo andalana fototry ny pôezia gabône? Akaiky kokoa antsika, Auguste Moussirou-Mouyama , Bellarmin Moutsinga na koa i Eudes Bouassa sy Stève-Wilifrid Moungengui no mamerina ny pôezia amin'ny roa amin'ireo asa fanompoana goavany: ny “tononkiran'ny sesitany” sy ny “Hosodokon'ny hatezerana”. FN: Ahoana no fandehan'ny fifaneraseran'ny tontolon'ny literatiora ao Gabôna amin'ireo any am-pielezana? Ary koa, misy ireo tetezana kely mampifandray ny tany niaviana sy  ireo toerana nanaovantsika sesitany ny tenantsika, na dia toa saro-kenatra kely aza ilay izy, malemy sy tsy mitovy, satria tsy mbola tojo ny tsenany ny boky ary ny kilasy pôlitika mihevitra hoe ny mivarotra solika iray barila no tsara kokoa noho ny manome lanja literatiora nisy efa antsasaka taonjato iray. Kanefa, na lavitra an'i Gabôna aza, vitanay isaky ny mihetsika ny  mitantana sy mikarakara hetsika ho an'ny literatiora miaraka amin'ny fanohanan'ireo mpampiely anay, indrindra indrindra ireo endrika vehivavy roa tsy maintsy arahabaina : ilay mpanao gazety mpikirakira vaovao L’Orchidée Moulengui , fa indrindra ilay vehivavy mpiangaly Slam, Nanda, voatanisa tany aloha. Samy mitety ireo toerana ao Libreville sy Port-Gentil izy roa vavy ireo, isaky ny azony atao ny miaro ny asa noforoninay sy ny faharesendahatray momba ny hatsaràna. FN: Inona no mampiavaka ireo literatiora amin'ny fiteny frantsay ao Afrika ?
https://mg.globalvoices.org/2023/11/28/167135/
Madagasikara: Onjam-pahatezerana taorian'ny fahafatesan'ilay mpanakanto mpikatroka maty noho ny fahataran'ny fitsaboana azy
2023-11-28T03:08:12
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'i Ninie Doniah Tezitra ny Malagasy taorian’ny fahafatesan’ny mpanakanto-mpihira sady mpikatroka miady amin’ny kolikoly, noho ny fahataran'ny fandefasana azy hitsabo tena (any ivelany). Mpanakanto sady mpihira malaza avy any Nosy Be , any avaratr'i Madagasikara i Eliane Virginie Bezara, fantatra amin'ny anarana hoe Ninie Doniah . Nodimandry (Nihilana) tamin’ny 19 Novambra 2023 teo amin’ny faha-57 taonany izy, raha teny an-dalana ho any amin’ny Hopitalin’ Antsiranana any avaratry ny taniben'ny nosy Madagasikara ho entina mivoaka noho ny fitsaboana. Nomena anaram-bositra ho “Mpanjakavavin’ny salegy Malagasy” i Ninie Doniah noho izy nampalaza ny “ salegy ”. Gadona mampiavaka ny malagasy itendrena zavamaneno toy ny valiha , ny kabosy , ny angorodao , ny korintsana ampiana feo miantsa ireo hira nentin-drazana, any avaratra ka hatrany atsimon’ny Nosy ity fomban-kira ity. Any avaratra sy any Mayotte , ampiarahina amin’ny gadon-tehaka antsoina hoe “rombo manofo” sy ny dihy ataon’ny vehivavy antsoina hoe “ mbiwy ” ihany koa ny salegy. Nanjary nalaza taty amin’ireo nosin’ny Ranomasimbe Indianina i Ninie Doniah tamin'ny nanaovany fampisehoana niaraka tamin’ireo kintan’ny any an-toerana tany amin’ny faramparan’ny taompolo 90. Taorian’ny nahafatesany dia nisaona ny tontolon'ny mozikan’ny faritra. Ity ny lahatsary farany nataon'ilay mpanakanto: Mpanakanto nitolona sy nogadraina Mpikatroka ihany koa anefa i Ninie Doniah izay nitolona manohitra hatrany ny fangoronan-tany tsy ara-dalàna ao an-tanindrazany ataon'ny mpanankarena sy ny vahiny mifandray tendro amin'ny mpitondra ao amin’ny governemanta. Miompana amin’ny fiarovana ny vehivavy ihany koa ny hiran'ity mpanakanto ity. Ka tamin'ny alalan'ny hirany no niarovany ny ampahorina nitondra azy ho amin'ny ady farany nahatonga azy hivantana tany am-ponja . Araka ny tatitry ny Transparency International Initiative Madagascar , laharana faha-142 amin’ny firenena 180 ity nosy lehibe ity izay manana isa 26 amin’ny 100 raha jerena ny tondron-tsikaritra kolikoly na CPI tamin’ny taona 2022, ambany noho ny salan’isa ankapobeny. Ny sehatry ny fananan-tany no anisan’ny sehatra anjakan’ny kolikoly indrindra eto Madagasikara araka ny fanazavan’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (BIANCO). Nosamborin’ny zandary tao Nosy-Be i Ninie Doniah, tamin'ny 17 desambra 2021 , noho ny fanoherany ny fandroahana ireo vazimba teratany monina ao amin’io toerana io an-jatony taona, araka ny voalazan’ny bilaogy Tantarao Isan’andro amin’ny teny malagasy. Manazava ny bilaogy fa: Am-polony taona maro (mba tsy ilazàna hoe an-jatony taona satria efa nipetrahan-dry zareo Zafinifotsy talohan'ny fanjanahantany ny toerana no lasa nambolen'ny voanjo fary) Mihetsika hitaky ny famotsorana azy ny vahoaka malagasy, na izany aza mbola mitohy ny saziny. Araka izany, nandritra ny fitsarana azy voalohany tamin'ny 30 jona 2022 , dia voaheloka higadra enimbolana, sazy mihatra , i Ninie Donia noho ny fiampangana maromaro . Rehefa vita io sazy voalohany io, dia tokony navotsotra izy, saingy natomboka avy hatrany ny fitsarana vaovao momba azy. Nahazo sazy an-tranomaizina 18 volana indray i Ninie Donia ny 25 aprily 2022 rehefa voaheloka ho nanao fanakorontanana filaminam-bahoaka tamin'ny fikasana hanakana fakana tany an-keriny, sy tamin'ny fanetsehana dahalo any an-toerana. Fandavam-pamotsorana azy hitsabo tena Narary i Ninia Doniah nandritra ny fotoana nigadrany izay naharitra volana maromaro. Manoloana ny fivoaran’ny aretiny, nangataka ny handefasana azy haingana any amin’ny hopitaly Antsiranana ny talen’ny fonjan’i Nosy Bé, avy eo ny tale lehiben'ny hopitaly Nosy Bé, tamin’izany. Mbola nangataka hatrany tamin’ny Fanjakana ihany koa ny fianakaviany mba hitsaboana azy any Antsiranana, na ao Antananarivo Renivohitra mba hisitraka fitsaboana sahaza azy. Saingy tsy noraharahian'ny governemanta ny antson'izy ireo. Nandritra ny fetibe n’ny mozika Sômarôho tao Nosy Be tamin’ny 3 aogositra 2023 , nandohalika tamin-dranomaso i Wawa , mpanakanto malaza eto Madagasikara, nangataka mivantana tamin'ny filoha Andry Rajoelina mba hamotsorana ny mpanjakavavin’ny salegy mba ahafahany mitsabo tena, saingy tsy nisy valiny ny fangatahany. Wawa , mpanakanto malagasy nandohalika nangataka tamin’i Andry Rajoelina ny hamotsorana an’i Ninie Doniah. Sary nahazoana alalana Tsara ho fantatra , pejy mpizara vaovao, mampahatsiahy ao amin'ny pejy Facebook-ny ity fihetsika mandohalika nataon'ilay mpihira malagasy Wawa ity mba hangataka ny hamotsorana ny mitovy asa maha-mpihira azy: Hatezeran'ny mpikirakira aterineto Ankoatra ireo fanomezam-boninahitra izay nanenika ny tambajotra sosialy hatramin'ny nanambaràna ny fahafatesany, dia mitombo hatrany ny hatezerana manerana ny nosy, izay mampiseho ny hantsana lalina eo amin'ny mponina sy ny fitondrana. Feo maro no miakatra sy mamely am-bava ny governemanta, ka miampanga azy ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ilay mpanakanto. Heninkanja VH Rakotomanantsoa , ​​mpanao gazety ao amin’ny Kolo TV , nampita ny iray tamin’ireo fanambaran’ny fianakavian’ny maty tao amin’ny kaonty Facebook-ny . MajorTommh , mpikirakira ny X (ex-Twitter) miresaka ao amin'ny kaontiny momba ny fikatrohana nataon'i Ninie Doniah manohitra ny fandraofan-tany ao Nosy-Be: Ninie Donia s’en est allée. Elle militait contre l’accaparement des terres à Nosy-be, entre autres, et avait été emprisonnée depuis un moment. Plusieurs personnes ont supplié pour sa libération ou son transfert en raison de sa santé. — 🚶🏽 (@MajorTommh) November 19, 2023 Lasa i Ninie Donia. Nitolona nanohitra ny fandraofan-tany ao Nosy-be izy, ankoatra ny hafa, ary nogadraina fotoana elaela. Olona maro no niangavy ny hamotsorana azy na hamindrana azy noho ny tsy fahasalamany. Nomena , mpikirakira tambajotra X iray hafa manazava ao amin'ny kaontiny fa nanome ny ainy ho an'ny firenena i Ninie Doniah, ary manontany tena hoe iza no tena tia tanindrazana: Ceux-ci qui donnent littéralement leur vie pour 🇲🇬. Les baratineurs se font naturalisés, te volent sans états d'âme et emprisonnent ceux qui défendent tes intérêts. Qui sont les vrais patriotes? Les crétins ne pourront jamais faire la différence! https://t.co/sPK5kD4HMd via @RFI — Nomena (@nou_adr) November 21, 2023 Ireo manolotra ny ainy ara-bakiteny ho an’i🇲🇬. Nangataka zom-pirenena hafa ireo mahay miresaka, mangalatra aminao tsy misy fisalasalana ary managadra izay miaro ny tombontsoanao. Iza no tena tia tanindrazana? Tsy ho afaka hilaza ny fahasamihafana mihitsy ny olon-doza! Annah , Malagasy mpisera aterineto miampanga mivantana ny fitondrana ho nampiditra azy am-ponja satria nanelingelina ny tombontsoa ara-toekarenan-dry zareo ny fahavitrihany tamin'ny fiarovana ny tanin'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana: Namoaka fampitandremana ho an'ireo eo amin'ny fitondrana mikasika ireo gadra politika marary any am-ponja amin'izao fotoana izao ny Agence Malagasy de presse , tranonkalam-baovao iray, tamin'ny 19 Novambra: C’est la première fois qu’un artiste meurt en prison. Un avertissement pour ceux qui sont au pouvoir, étant donné que des journalistes sont également malades à Antanimora, Tsiafahy et Imerintsiatosika. Leurs soins sont précaires et ils ne sont plus en bonne santé. Nous citons, entre autres, Rolly Mercia, Lola, Mbola ou encore Malama. Vous voulez qu’ils meurent en prison ? Libérez-les SVP ! Le cas de Ninie Donie est la preuve d’un mauvais traitement dans les pénitenciers. Sambany izao no nisy mpanakanto maty tany am-ponja. Fampitandremana ho an’ireo eo amin’ny fitondrana, satria misy ihany koa ireo mpanao gazety marary eny Antanimora, Tsiafahy ary Imerintsiatosika. Tsizarizary ny fikarakarana azy ireo ary tsy salama intsony izy ireo. Tanisainay eto, ankoatra ny hafa, i Rolly Mercia, Lola, Mbola ary Malama. Tianareo ho faty any am-ponja ve izy ireo? Azafady mba avotsory izy ireo! Porofon’ny fampijaliana any am-ponja ny raharaha Ninie Donia. Mitranga ao anaty tontolon'ny disadisa ara-politika mafàna ity fahafatesana ity. Miandry ny voka-pifidianana vonjimaika tamin’ny fifidianana filoham-pirenena izay ho avoakan'ny Voamiera Nasionaly Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI) amin'ny 25 novambra 2023 ho avy izao ny Malagasy. Andry Rajoelina amin'izao no mitarika amin'ny isan-jato 59,94%. Mbola hita mibaribary ihany anefa ny hantsana lalina naterak’ity fifidianana ity. Raha ny zava-misy dia tsy nety nandray anjara tamin’ny fifidianana ireo kandidà folo no nanambara fa tsy mankatoa ity fifidianana ity . Toy izany koa, manentana ny fitondram-panjakana handray ny mpanohitra hanao dinika an-databatra boribory aorian’ny fifidianana ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny mpanara-maso ny fifidianana iraisam-pirenena.
https://mg.globalvoices.org/2023/11/21/167045/
Hamaky inona, hanaraka an'iza mba hahafantarana ny vaovao sôsialy sy pôlitika ao RDC?
2023-11-21T02:12:37
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube-n'ny Tv5monde Iray volana latsaka sisa ny ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC) dia hanao fifidianana ben'ny tanàna , voalahatra hatao ny 20 Desambra 2023 anatina toedraharaham-piarovana miavaka. Eny tokoa, mandalo krizim-piarovana miteraka krizy amin'ny maha-olombelona ny any atsinanan'ilay firenena. Efa niditra anaty fampielezankevitra ho an'ny fifidianana ny maro amin'ireo kandidà sy antoko pôlitika, miparitaka indrindra indrindra any anatin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra sy ny tambajotra sôsialy. RDC dia iray amin'ireo firenena afrikàna goavana manana vahoaka mihoatra ny 103 tapitrisa. Na izany aza, mbola lavitra izany hoe gazety halalaka izany: ho an'ny 2023, ny fanomezana laharana avy amin'ny Reporters sans frontières (RSF) dia mametraka ilay firenena ho faha-124 amin'ireo firenena 180. Ahitàna media marobe anefa ny tontolon'ny media. Araka ny RSF , misy fahitalavitra 177 , tobin'onjampeo 4 000, gazety 540 ary 36 ireo media an-tambajotra. Ireny media rehetra ireny dia mpanao gazety matianina miisa 7.000 mahery no mampiaina azy. Ireo loharano avy ao an-toerana Ao RDC, ny Radiotélévision nationale congolaise (RTNC) no vondrona mpanao gazety ôfisialy ao amin'ny firenena. Ao amin'ny “X” (Twitter fahiny), ny RTNC dia manana mpanjohy maherin'ny 33.900 . Ankoatra ny RTNC, ny Radio Okapi , najoron'ny Firenena Mikambana sy ny onjampeo Top Congo , noho ny fahafahany mandrakotra lavitra ny faritry ny firenena dia media mahazatra be mpanaraka manerana ilay firenena. Ankoatra ny  Top Congo izay heno amin'ny fiteny lingala sy frantsay, ny tsirairay amin'iretsy roa hafa dia mandefa amina fiteny efatra nasiônaly ao amin'ny firenena ( lingala , swahili , kikongo ary ny tshiluba )  ankoatra ny fiteny frantsay izay fiteny ôfisialy, ampiasain'olona mihoatra ny 50% amin'ireo vahoakany. Fa amin'izao vanim-potoanan'ny nomerika izao, ireo media an-tambajotra no tena malaza ary tsy misalasala manolotra zoro marobe hikirakirana ny vaovao. Tamin'ny 2022, navoakan'ny fanomezana laharana ireo media an-tambajotra tena fanaraky ny olona fa ny 7sur7.cd izay mitàna ny lohany miaraka amin'ireo mpanjohy azy miisa 888 900 ao amin'ny Twitter no tranonkala tena misongadina ao amin'ny firenena. Manaraka azy akaiky eo ny  tranonkalam-baovao Politico.cd izay mampiasa ny fikirakiràna vaovao pôlitika ho soavaly fitondra miady. Manana mpamandrika miisa 750.4oo ao amin'ny twitter ilay gazety an-tambajotra. Ny tranonkala Actualite.cd izay manana mpanjohy mihoatra ny 697 900 ao amin'ny twitter, dia misehatra amin'ny famokarana lahatsary, podcast ary lahatsoratra miresaka ankapoben-javatra ao amin'ny firenena. Eo ihany koa ny Voiceofcongo manana mpanjohy mihoatra ny 328.500 ao amin'ny twitter sy ny Zoom-eco manana mpamandrika mihoatra ny 84.100 ao amin'ny twitter. Mavitrika kokoa ireny gazety an-tambajotra ireny ao anatin'izao vanim-potoam-pifidianana izao. Ao RDC, tamin'ny fiandohan'ny 2023 dia nahatratra 22,9 % ny taham-pidirana aterineto. Fandrakofana iraisampirenena RDC koa dia ifantohan'ny mason'ireo gazetim-paritra marobe sy iraisampirenena, eo ny lanjany, ny harena ankibon'ny tany ao aminy, ny ady hanana dindo ifanaovan'i Etazonia sy Shina ary Eorôpa ao amin'ilay firenena. Araka izany dia tsy tara ireo mediam-paritra amin'ny fandrakofana ny fampielezankevitra ho an'ny fifidianana, toy ny Jeune Afrique , le360afrique , na ny sampana amin'ny fiteny frantsay ao amin'ny africanews . Miresaka izany ihany koa ireo media iraisampirenena: ny fantsona frantsay France 24 , ilay media belza Radio Télévision Belge Francophone (RTBF), ny gazetiboky Afrique XXI ihany koa izay manana ny foibeny ao Parisy ary mamokatra ireo antontan-kevitra sy fandalinana mahakasika lohahevitra maro, toy ny pôlitika, ny ady ao RDC. Toy izany koa, ny fantsona frantsay Tv5monde dia nanolotra fanadihadiana momba ireo olan'ny fifidianana, niarahany tamin'i Martin Fayulu , filohan'ny antoko ECiDé ary kandidà ho filoham-pirenena : Zavatra toy izany ihany koa no nataony niaraka tamin'i Dr Denis Mukwege , kandidà ihany koa ho filoham-pirenena. Eto, izy dia manolotra ny fandaharanasa pôlitikany ho an'ny latsabato hatao ny 20 Desambra 2023. : Ireo sampana miteny frantsay amin'ireo media avy amin'ny firenena mampiasa sy miteny anglisy, toy ny Voice of America (VOA Afrique), sy ny sampan'ny BBC Afrique , dia manolotra ihany koa ireo lohahevitra mahakasika ny vaovao, sy fandaharana mahaliana momba an'i RDC. Ary ahoana ireo medià sôsialy? Olomalaza kôngôley marobe tena mavitrika ao amin'ny tambajotra sôsialy no mizara ny fomba fijerin-dry zareo momba ny vaovao pôlitika avy ao RDC. Ohatra: Gloria Sengha , mpikatroka ho an'ny zon'olombelona sady feminista; Peter Tiani (manana mpanjohy mihoatra ny 186.400 ao amin'ny  twitter), mpanao gazety na i Pascal Malegwa (manana mpanjohy mihoatra ny 172.900 ao amin'ny twitter), mpanao gazety solontenan'ny Radio France Internationale sy ny FRANCE24 ao RDC izay anisan'ireo feo mahara-baovao kokoa. Amin'ireo pôlitisiàna na kandidà ho filoham-pirenena, mitondra ny feon'ny vaovao kôngôley ihany koa ry Moise Katumbi , Denis Mukwege , Martin Fayulu .
https://mg.globalvoices.org/2023/11/23/166978/
Toe-draharaha politika any Zambia: Fanehoan-kevitra manoloana ny fiverenan'ny filoha teo aloha, Edgar Lungu
2023-11-23T03:45:30
Unknown
Ny filoha Zambiana teo aloha Edgar Lungu. . Sary: Chalo Chatu tao amin'ny Flickr ( PDM 1.0 DEED ). Nanambara ny fiverenany mavitrika amin'ny sehatra politika ny Filoha Zambiana teo aloha Edgar Lungu , mikasa ny ho fidiana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2026 rehefa nisintaka taorian'ny faharesena goavana tamin'ny taona 2021. EDGAR LUNGU RETURNS TO POLITICS, UPND SENDS BEST WISHES By Wendson Mavoro Former Republican President Edgar Lungu has announced his return to active politics. pic.twitter.com/wnDBvqVTPr — Diamond TV 📺💻📱 (@diamondtvzambia) October 28, 2023 NIVERINA AMIN'NY SEHATRA POLITIKA I EDGAR LUNGU, NANDEFA FIRARIAN-TSOA NY UPND Avy amin'i Wendson Mavoro Nanambara ny fiverenany mavitrika amin'ny sehatra politika ny Filoha Repoblikana teo aloha Edgar Lungu. pic.twitter.com/wnDBvqVTPr Namela ny firenena hiady amin'ny olana ara-toekarena izay niantraika tamin'ny fiainan'ny Zambiana ny fitondrany nandritra ny enin-taona teo aloha . Nambaran'i Lungu ny fahavononany hiaro ny demokrasia nandritra ny kabary fanomezam-boninahitra an’i Michael Sata , ilay filoha teo aloha tao Zambia sady mpitarika no mpanorina ny Mandan’ny Tia Tanindrazana (PF) , izay maty am-perinasa ny taona 2014. Araka ny tatitry ny News Central TV , hoy i Lungu hoe: I'm ready to fight from the front not from the rear in defense of democracy those who are ready for this fight please come along with me I'm ready for anything. Vonona aho ny hiady eo amin’ny lohalaharana fa tsy any aoriana hiaro ny demokrasia ary izay efa vonona amin'ity ady ity dia miangavy anareo aho mba hiaraka amiko fa vonona amin'ny zavatra rehetra aho. Nanao tolo-kevitra hitarika ny Mandan’ny Tia Tanindrazana i Lungu, ilay antoko notarihiny hatramin’ny naharesy azy tamin'ny taona 2021, saingy miatrika fanamby amin'ny fitarihana. Nizara roa ny antoko: ny iray notarihin'i Miles Sampa, izay nambara fa filohan’ny antoko ary  maniry an'i Lungu hitarika ny antoko ny ankolafy iray hafa. Misy ny fiampangana fa tohanan’ny fanjakana i Sampa. Araka ny tatitry ny Africanews , tafiditra amin'ny fanoloran-tenany hanavotra ny antoko ny fiverenan'i Lungu ho lohalaharana, izay miatrika ny mety ho fanafoanana ny fisoratana anarana avy amin’ny governemanta noho ny fifanolanana momba izay hitarika ao anatiny. Miampanga ny filoha Hakainde Hichilema i Lungu, amin'ny fampiasana ny andrim-panjakana hamoretana ny mpanohitra sy hanitsakitsahana ny zony. Niteraka fihenjanana ny fihetsiky ny polisy, anisan'izany ny fanakanana an'i Lungu tsy hanao hazakazaka sy ny fikasana hitsabo tena any ivelany . Ny volana Mey tamin'ity taona ity, nohodidinin’ny polisy ny tranon'i Lungu , mitaky ny fisavana izany noho ny fanadihadiana kolikoly. Nilaza ny tatitry ny Africanews fa nolavin'ny mpitondratenin'ny governemanta, Cornelius Mweetwa, ho tsy mitombina ny fiampangana mikasika ilay filazan'i Lungu fa lasibatry ny mpanohana ny Antoko Mitambatra ho an'ny Fampandrosoana Nasionaly (UPND) eo amin'ny fitondrana izy. Nanamafy ny tsy fahafaham-po amin'ny fahasahiranana ara-toekarena amin'izao fotoana izao, nilaza i Lungu fa mikendry ny hahazo mpanohana indray izy, indrindra ny amin’ny fitomboan'ny ahiahy manoloana ny fiakaran'ny vidim-piainana, ny tsy fananana asa ary ny fahantrana nandritra ny fitondran'i Hichilema. Ny setriny nataon'ny governemanta Ho setrin'ny fiverenan'i Lungu amin'ny politika, nanaisotra ny tombontsoa amin'ny fisotroan-dronono ny sy ny tombontsoany manokana ny governemanta Zambiana. Nilaza ny mpitondratenin'ny governemanta Cornelius Mweetwa fa mifanaraka amin'ny lalàna ao amin'ny firenena izany, izay mametraka ny fanalana ireo tombontsoa ireo rehefa miverina amin'ny sehatra politika indray ny filoha teo aloha. Anisan’izany ny fanesorana ny mpiambina manokana, ny pasipaoro diplaomatika, ny fiaram-panjakana, ny trano misy fanaka, ny fiantohana ara-pahasalamana ary ny fandaniana amin’ny fandevenana. Nohamafisin'i Mweetwa fa horaisina mitovy amin’ny rehetra eo ambanin'ny lalàna ankehitriny i Lungu, ka nampametram-panontaniana momba ny mety hanesorana ny tsy fahafahana manenjika azy. Marihina fa nanafoana ny fahafaha-manenjika ny filoha roa teo aloha: Frederick Chiluba tamin'ny 2002 sy Bandana Rupiah tamin'ny taona 2013 ny parlemanta ao Zambia. Fanehoan-kevitra avy amin'ny olom-pirenena Zambiana Mifamahofaho ny fanehoan-kevitra eo amin'ny Zambiana, misy ny maneho fientanentanana amin'ny fiverenan'i Lungu raha mihevitra kosa ny hafa fa mety tsy hahasoa ny firenena izany. Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny News Central , mpandalina momba ny jeopolitika, nilaza i Aon Gambi hoe: Mr Sata who died in office, was a man that was loved by the people and was a man that the common people could actually relate to. When he died prematurely from falling ill while in office and as a result did not finish his five year term of office, Mr Lungo came as a successor. Since then Mr Lungu went on to lose the elections to his opponent in 2021 who is now the president. So the mixed reactions to Mr Lungu's return is because the people that belong to the party of Mr Lungu that you see in the video of course are excited but also there are people that feel like it is not a good move for Mr Lunga to come back because he's the only remaining and surviving former head of state. Lehilahy tian’ny vahoaka sady olona tena azo ianteheran’ny sarambabem-bahoaka Atoa Sata izay maty teo am-perinasa. Rehefa maty aloha loatra izy rehefa narary raha mbola am-perinasa ary tsy nahavita ny fe-potoam-piasany dimy taona, nandimby azy i Atoa Lunga vokatr'izany. Nanomboka teo, resy tamin'ny fifidianana nanoloana ny mpifanandrina taminy izay filoha amin'izao fotoana tamin'ny taona 2021 Atoa Lungu. Ka ny fanehoan-kevitra mifangaro momba ny fiverenan'i Atoa Lungu dia noho ireo olona izay faly ao amin'ny antokon'Atoa Lungu izay hitanareo amin'ny horonantsary mazava ho azy nefa misy ihany koa ny olona mahatsapa fa tsy mety ny fiverenan'Atoa Lunga satria izy irery no filoham-pirenena teo aloha sisa velona. Araka ny filazan'i Gambi, Zambiana maro no naneho fahadisoam-panantenana tamin'ny zava-bitan'i Hichilema tamin'ny maha-filoha azy, notanisainy ny fiakaran'ny vidim-piainana, ny tsy fananana asa ary ny fahantrana ho olana lehibe amin'ny governemanta ankehitriny. Raha mifanaraka amin'ny famakafakana nataon'i Gambi ny fanehoan-kevitra sasany amin'ity lahatsary ity, ny hafa kosa milaza fa manao ezaka amin-kitsimpo ny governemanta, araka ny nasehon'ny olona iray hoe: Debt was restructured, teachers recruited, health workers employed, defense and correctional services personnel employed, free education, and the Constituency Development Fund (CDF) is equal to the task at grass roots, empowerment to youths and women is a game changer, people are encouraged to work and empowered under entrepreneurship. It's only a biased person who cannot see any positive efforts put in place. We are Zambians in Zambia on ground and not false clips from social media. People can make films to create what's not on the ground. Let's be factual! Nalamina indray ny trosa, nandray mpampianatra vaovao, nampiasa mpiasan'ny fahasalamana, nampiasa mpiasan'ny fiarovam-pirenena sy ny fonja, maimaimpoana ny fampianarana, ary mifandanja amin'ny asa eny ifotony ny Tahirim-bola ho an’ny Fampandrosoana Isam-paritra (CDF) , dingana lehibe amin’ny fanovana ny fanomezan-danja ny tanora sy ny vehivavy, nentanina ny olona hiasa sy hivoatra amin'ny fandraharahana. Olona mitanila ihany no tsy mahita ireo ezaka natao. Zambiana eto Zambia izahay fa tsy fampisehoana sandoka amin'ny tambajotra sosialy. Afaka manao sarimihetsika ny olona mba hamoronana izay tsy misy akory. Aoka isika hilaza ny marina! Nanamafy i Gambi fa very tsikelikely ny fanohanana ny antoko eo amin'ny fitondrana noho ny tsy fahombiazan’ny governemanta amin'izao fotoana izao, eny fa na dia ho an'ireo nifidy ny filoha Hichilema tamin'ny taona 2021 aza. Noho izany, voalaza fa mandray fepetra tsy refesi-mandidy sy didy jadona i Hichilema, izay manery ny habaka demokratika. Araka ny filazan'i Gambi, ny faniriana hamerina ny firaisankina ao anatin'ny antokony no antony mahatonga an'i Edgar Lungu hiverina amin'ny sehatra politika: President Hakainde Hichilema is actively working to dismantle the Patriotic Front, the political home of Mr. Lungu. Thus, Mr. Lungu feels compelled to re-enter politics, believing he is the only one capable of fostering unity and preserving the party's cohesion leading up to the 2026 elections. Miasa mavitrika amin'ny fandravàna ny Mandan’ny Tia Tanindrazana, fonenana ara-politikan'Atoa Lungu, ny Filoha Hakainde Hichilema. Noho izany, mahatsiaro ho voatery hiditra amin'ny sehatra politika indray Atoa Lungu, satria mihevitra izy fa izy ihany no afaka mampiroborobo ny firaisankina sy mitahiry ny firindran’ny antoko mankany amin'ny fifidianana amin'ny taona 2026. Raha mandalo ity korontana ara-politika ity i Zambia, dia inoana fa hitana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny tontolo politika ao amin'ny firenena ny fifidianana ho avy amin'ny taona 2026.
https://mg.globalvoices.org/2023/11/22/167028/
Madagasikara: Mafampàna ny raharaha mialoha fifidianana filoham-pirenena
2023-11-22T05:04:57
Unknown
Pikantsary tao amin'ny fantsona YouTube de France 24 Miharatsy ny toe-draharaha ara-politika ao Antananarivo , renivohitr'i Madagasikara , ary mitohy hatrany ny famoretana ny fihetsiketsehana ataon’ny mpanohitra. Mety hisy fiantraikany amin'ny fifidianana filoham-pirenena hatao ny 16 novambra izany raha tsy misy ny marimaritra iraisana eo amin’ny samy mpiantsehatra. Hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana antsoina hoe hetsika fotsy tamin'ny 2 oktobra, manohy ny hetsika eny an-dalambe ao an-drenivohitra ny vondron'ny kandidà folo mba hitaky ny hisian'ny fifidianana madio sy ara-drariny. Matetika sakanan'ny mpitandro ny filaminana anefa izany. Nihemotra ny datim-pifidianana, fampielezan-kevitra mitanila Nahemotra ny 16 novambra ny fifidianana nokasaina natao ny 9 novambra noho ny fangatahan’ny kandidà iray, Andry Raobelina ,  naratra nandritra ny fihetsiketsehana . Efa nanomboka ny fampielezan-kevitra, telo ireo kandida mandray anjara amin'izay  taorian’ny ankivy nataon’ny vondron'ny 10. Efa lasa lavitra i Andry Rajoelina raha manao fampielezan-kevitra milandamina kosa ny kandidà Sendrison Daniela noho ny tsy fahampian’ny vola. Nisintaka tamin'ny vondron'ny kandidà 11 kosa i Siteny Andrianasoloniaiko ary nanapa-kevitra ny hanao ny fampielezan-keviny. Manohy ny diabe am-pilaminana isan’andro any amin’ireo fokontany samihafa eto an-drenivohitra kosa ireo kandidà 10 ambiny, ary manameloka ny fifidianana maloto ka mitaky ny fanajana ny lalàna demaokratika sy ny fitsipika ara-pifidianana. Mihevitra ireo kandidà 10 fa fehezin'i Andry Rajoelina ireo andrim-panjakana mba hampandany azy indray . Antso fifampiresahana tsy misy valiny Ao anatin’izany toe-javatra mihenjana izany, nisy ny antso hifampidinihana nataon’ireo hery velona ao amin'ny firenena, toy ny nataon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena , ny Antenimieram-pirenena tamin’ny alalan’ny filohany, Christine Razanamahasoa. Tamin’ny 18 oktobra, nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena, naneho ny ahiahiny momba ny zava-misy ankehitriny ao amin’ny firenena io ramatoa io: J’étais tentée d’aborder l’approche par la voix du peuple qui seul détient la solution. Mais, le contexte sur le non-respect des valeurs et des normes m’ont vite dissuadée. Dire que dans les conditions actuelles, seule la consultation du peuple par la voie des urnes est l’unique solution, alors que les normes morales et les normes universelles sont loin d’être remplies, ouvre la voie vers une spirale de crises. Nalaim-panahy aho hijery ny feom-bahoaka izay hany manana ny vahaolana. Saingy nanakana ahy ny fahitana ny tontolon'ny tsy fanajana ny soatoavina sy ny fenitra. Manokatra lalana mankany amin’ny krizy goavana ny filazana fa amin’izao toe-draharaha misy izao, dia ny fakàna ny hevitry ny vahoaka amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato ihany no vahaolana, kanefa lavitry ny fanajana ny fenitra ara-pitondrantena sy ny fenitra iraisam-pirenena izany. Tao anatin’ny antsony, lahateniny, miahiahy ny zava-misy ny fianakaviambe iraisam-pirenena tamin’ny fanambaràna vao haingana, mba hidirana amin’ny fifampiresahana. Manamafy i Razanamahasoa: J’exhorte la communauté internationale car il y a urgence à agir, le temps n’est plus à la diplomatie. Les consultations de toutes les forces seront nécessaires, les consultations et les échanges de vues avec les pays amis de Madagascar se feront, et l’entente et la collaboration constructive avec les forces de l’ordre seront établies . Mandrisika ny fianakaviambe iraisampirenena aho satria misy ny fahamehana handraisana andraikitra, tsy fotoanan’ny diplaomasia intsony izao. Ilaina ny fifampidinihana amin’ny hery rehetra, hisy ny fifampidinihana sy ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo firenena naman'i Madagasikara, ary hapetraka ny fifankahazoana sy fiarahamiasa manorina iarahana amin’ny mpitandro ny filaminana. Na izany aza anefa, tsy liana amin'ny fifampiresahana ny kandidà Andry Rajoelina ary tsy mbola nanao fanambaràna mankany amin'izany. Raha noantsafaina tamin'ny Radio France Internationale tamin’ny 12 oktobra lasa teo mikasika ny toe-draharaha ankehitriny eto Madagasikara, nanambara i Ketakandriana Rafitoson, tale mpanatanteraka ao amin’ny ONG Transparency International Madagascar hoe: (…) le premier pas serait que le candidat numéro trois, Andry Rajoelina, ouvre la porte au dialogue avec le collectif des 11 candidats. Parce qu’il faut absolument qu’ils s’assoient autour d’une table et dressent la situation du pays. S’ils se disent aussi patriotes les uns que les autres, ils doivent se concerter pour voir quelle sera la meilleure issue. (…) ny dingana voalohany dia ny hanokafan’ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, ny varavarana hifampiresahana amin’ny vondron'ny kandidà 11. Satria tena mila mipetraka manodidina latabatra izy ireo ary manombana ny zava-misy eto amin'ny firenena. Raha samy milaza ny tenany ho tia tanindrazana ny tsirairay dia tsy maintsy miara-miasa mba hahitana izay ho vokatra tsara indrindra. Fanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana sy fisamborana indray Nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 28 oktobra teo teny amin’ny Coliseum Atsonjombe , kianja lehibe iray eto Antananarivo, dia nampanantena ny hanamafy ny hetsika ny fitambaran’ireo kandidà miisa 10. Maro ireo mpanohana netsehina ho eny amin'ny kianjan'ny 13 Mey tamin'ny 4 Novambra mba hanao diabe am-pilaminana. Hatramin’ity fanetsehana ity dia nampitandrina ny fitondram-panjakana sy ny andrim-panjakana isan-tsokajiny ny amin’izay mety ho fikasana haka an’io kianja io. Araka izany dia notemerin'ny mpitandro filaminana avokoa ny toerana rehetra mankeny amin’ity kianja ity. Niharan'ny famoretana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso indray anefa ny fihetsiketsehana nataon’ny mpanohitra tamin’ny 4. Ampolony no naratra, ka mpanao gazety ny telo ary olona folo no voasambotra. Mamoaka sarin'ny mpitandro ny filaminana manaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana amin'ny etona mandatsa-dranomaso ny NewsMada Les Actus ao amin'ny pejiny Facebook: Ny mpitandro ny filaminana nanaparitaka ny mpanao fihetsiketsehana. Saripika: Newsmada. Nahazoana alalana Mizàna tsindrian'ila Mifanohitra amin’izany famoretana ny fihetsiketsehana izany, tamin’io 4 novambra io ihany, nikarakara karnavaly tsy nitrangan-toejavatra tahaka izany ny mpomba an’i Andry Rajoelina teto an-drenivohitra nanao propagandy filoham-pirenena. Izany no nitarika an’i Hajo Andrianainarivelo , kandidà ho amin’ny fifidianana, namoaka tao amin’ny kaontiny X : Deux poids deux mesures à #Madagascar . Pendant que les partisans de l'ancien Président défilent librement dans la capitale, les partisans du “Collectif des candidats” sont dispersés à coup de gaz lacrymogène et de balle en caoutchou. pic.twitter.com/48dI87doRH — Hajo Andrianainarivelo (@MrHajoA) November 4, 2023 Mizàna tsindrian'ila eto Madagasikara. Raha nanao matso an-kalalahana teto an-drenivohitra ny mpomba ny Filoha teo aloha naparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny bala fingotra ny mpomba ny “Collectif des candidats” Feno mpitandro ny filaminana any amin'ny faritra sasany lavitra ny kianjan'ny 13 Mey Manaporofo ny fihenjanana eto an-drenivohitra ny tranga samihafa. Fiara iray nijanona teo amoron-dalana, araka izany, no niharan’ny baomba mandatsa-dranomaso teo Ankadifotsy , faritra somary lavitry ny kianjan’ny 13 mey. Nisy fahamaizana saingy vetivety dia voafehy ny afo. Fiara iray nijanona no lasibatry ny baomba mandatsa-dranomaso. Nahazoana alalana Manenjika hatrany anelakelatrano ny mpitandro ny filaminana hanenjehana ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ireo kandidà ofisialy. Mampiseho izany ity sary navoakan'ny mpanao gazety Poussy Best tao amin'ny pejy Facebook-ny ity: Saripika I-BC . Nahazoana alalana Amin'izao famoretana sy fanenjehana izao, tsy azo leferina ny fakana sary na fandraketana horonantsary polisy ao anaty famaizana. Ity lahatsary ity no mandravaka ny fidarohan'ny mpitandro ny filaminana olom-pirenena tsotra naka sary/video tamin'ny findainy ary nitaky ny hamafa izany. Kandidà iray nosamborina Nosambori n’ny zandary ny 6 novambra teo ny iray tamin’ireo kandidà, Jean Jacques Ratsietison, rehefa saika hiditra teny amin’ny kianjan'ny 13 mey, saingy n avotsotra rehefa hanomboka ho maizina ny andro. Olona manodidina ny folo voasambotra tamin'ny 4 novambra no niakatra fitsarana tamin’io andro io ihany. Ny dimy naiditra am-ponja ary ny dimy hafa dia eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Ny 9 novambra ny fotoam-pitsarana azy ireo. Nilaza Ratsietison raha niresaka tamin’ny mpanao gazety hoe: Je suis encore sous le secret de l’instruction. Je peux vous dire seulement que les chefs d’inculpations qui pèsent contre moi et les personnes arrêtées sont: voie de fait, violences, attroupement illicite, tentative de coup d’État et outrages aux forces de l'ordre. Comment aurais-je pu faire un coup d’Etat, moi Ratsietison, avec mes deux mains? pfff .. J’attends désormais mon procès. » Mbola eo ambany tsiambaratelon'ny famotorana aho. Ny hany azoko lazaina aminareo dia ny fiampangana ahy sy ireo olona voasambotra : fanohintohinana ny zon'ny hafa, herisetra, fitangoronana tsy ara-dalàna, fikasana hanonganam-panjakana ary faniratsirana mpitandro ny filaminana. Ahoana moa aho Ratsietison no nanao fanonganam-panjakana tamin’ny tanako roa? pfff.. miandry ny fitsarana ahy aho izao. Mbola mafàna araka izany ny toe-draharaha ao Madagasikara herinandro mialoha ny fifidianana filoham-pirenena. Mampitombo ny fanjavozavoana ny korontana ateraky ny famoretana ny fihetsiketsehan'ny kandidà 10 sy ny tsindry ataon'ny polisy. Ny fanontaniana lehibe dia ny hoe ho tanteraka araka ny nomanina sy ao anaty fepetram-piarovana azo antoka ve ny fifidianana?
https://mg.globalvoices.org/2023/11/27/167117/
Iza ireo mpihoko ao anatin'ny “Mouvement du 23 mars” (M23) ao atsinanan'i RDC?
2023-11-27T07:26:24
Unknown
Ireo mpihokon'ny M23 nandritra ny fialàny tao Kibumba , pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Tv5monde Ao atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC) vondrona iray mitam-piadiana, ny “Mouvement du 23 mars”, afohezina amin'ny hoe “M23″, no mametraka ny lalàny amin'ireo mponina ao an-toerana. Fa ahoana moa no tantaran'io hetsika io? Ary inona avy no fiantraikan'ny hetsika ataony raha ny firenena kosa eo am-pikarakarana ireo fifidianana solombavambahokaa amin'ny Desambra 2023? Ny fahaterahan'ny M23 dia nanaraka ny fitomboan'ny fihenjanana indray taorian'ny ady tao Kivu . Io fifandirana hita tany atsinanan'ny firenena io, tao amin'ny sisintany iraisany amin'i Roandà, dia nanomboka tamin'ny 2004 ary ifanandrinan'ireo Forces Armées de la République Démocratique du Congo (FARDC) amina andiany maro mitam-piadiana, isan'izany ny Congrès National pour la Défense du Peuple (CNDP) an'i Laurent Nkunda , pôlitisiàna sady lehiben-tafika avy amin'ny foko tutsi . RDC dia firenena iray ahitàna foko marobe ka isan'ireny ny Tutsis izay miaina any amin'ny faritra Kivu ny ankamaroany. Taorian'ny dimy taona nifandonana, ny 23 Martsa 2009, nisy fifanarahana fandriampahalemana vita sonia, nifanaovan'ny fanjakàna kôngôley sy ny CNDP hampitsaharana ny ady. Ao anatin'io fifanarahana io, eken'ilay vondrona mpihoko ny hivadika ho antoko pôlitika saingy takiany ny hamotsorana ireo mpikambana avy ao aminy nofonjaina, ny fanatsaràna ny fepetra iainan'ireo vondro-mpiarahamonina Tutsis kôngôley, sy hitazonany departemanta ministerialy telo ao anivon'ny governemanta ny ampitson'ny nahavitàn'ny fifidianana filohampirenena tamin'ny 2011 . Ny tsy fanajàn'ireo manampahefana tao RDC ny votoatin'ilay fifanarahana no nanosika ireo mpihoko fahiny teo anivon'ny CNDP, tafiditra tao anivon'ny tafi-panjakàna taorian'ilay fifanarahana fandriampahalemana, hiditra tamin'ny fihokoana. Ny Aprily 2012, araka izany, dia namorona hetsika iray vaovao ry zareo, nantsoiny hoe M23 ho fahatsiarovana ny datin'ny 23 Martsa 2009 . Hazavain'ity fanadihadian'ny Tv5monde ity ny niandohan'ilay hetsika: Noho izany dia nandray fiadiana indray ireo mpihoko, nahazo ny fanohanan'ny avy ao Roandà sy Ogandà . Na izany aza, nolavin'ireo manampahefana avy amin'ireo firenena roa tonta ireo ny fandraisany anjara amin'izany, eny fa na manazava aza ity lahatsoratry ny Afrique XXI ity hoe: « Nandà i Kigali, saingy izahay, teny ambava-ady, dia nahavita ny nisambotra miaramila roandey na ireo miaramilan'ny M23 niampita avy any Roandà, hoy ny manamboninahitra ambony iray ao amin'ny tafika kôngôley nandray anjara tamin'ilay fifandonana tamin'ny 2013 rehefa manazava, tsy nitonona anarana. Ny hafatra, dia ny hanamontsana ny M23, teboka ! Tsy misy resaka mihitsy hoe hanao fanaterana ady hatrany Roandà, eny fa na dia, miaraka amin'ireo vaovao azo aza, fantatra tsara hoe avy aiza ary avy amin'iza ilay ady. Ry zareo Tutsi no mitondra an'i Roandà, ary ny M23 dia fihokoana iray nataon'ireo miaramila kôngôley avy amin'ny foko tutsi, mpiarahalahy ry zareo ary mitovy fiteny, natetika mihitsy aza ry zareo no nanana rohim-pihavanana any Roandà. ». Efatra taona taty aoriana, toa nitsahatra ny fikomiana M23: niaraka tamin'ny fanohanan'ny tafika misatroka mangan'ny Firenena Mikambana, faharesena manan-tantara no nampitondrain'ny FARDC an'ireo andian'ny M23 tamin'ny 5 Novambra 2013 . Tsy re feo intsony, lasa nialokaloka tany amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina amin'ny RDC ry zareo, toa an'i Ogandà sy Roandà . Omen'ity lahatsary ity ny antsipirihany tamin'ny fandresena azon'ny FARDC : Fiverenana matanjaky ny M23 Saingy efa ho folo taona taorian'ny naharesy azy dia toy ny natsangana indray avy amin'ny lavenony ny M23. Tamin'ny Martsa 2022, niverina nandray fiadiana indray ilay hetsika mba hanao fanafihana an'ireo toerana stratejikan'ny tafi-panjakana ara-dalàna ao amin'ny faritra, mbola miaraka amin'ny fanohanan'i Roandà hatrany araka ny tatitr'ireo manampahaizana ao amin'ny Firenena Mikambana . Mitovy ihany ny tena antony ao ambadik'io fipongaran'ny hetsika io indray : ny tsy fanajàna ilay fifanarahana fandriampahalemana natao tamin'ny 2009. Ny 25 Martsa 2022, Bertrand Bisimwa , filoha amin'izao fotoana izao mitarika ny M23 no manazava ao anaty ranty iray amin'ny kaontiny X (Twitter taloha) ny hetahetany hisoroka ady vaovao indray: Nous avons tout fait pour éviter une nouvelle guerre dans ce pays. Cependant le gouvernement congolais a fait ses choix. pic.twitter.com/LoKwZYSaPM — Bertrand Bisimwa (@bbisimwa) March 25, 2022 Nataonay daholo izay rehetra hisorohana ny fisiana ady iray vaovao eto amin'ity firenena ity. Kanefa nanao ny safidiny ny governemanta kôngôley. pic.twitter.com/LoKwZYSaPM — Bertrand Bisimwa (@bbisimwa) 25 Martsa 2022 Raha nanontanian'ny Tv5monde tamin'ny Aprily 2022, nanome antsipirihany misimisy kokoa momba ny fiverenan'ny M23 i Pierre Boisselet , mpandrindra ireo fikarohana momba ny herisetra ao amin'ny Ebuteli , vondrona iray mpanadihady momba an'i RDC : Taona iray taorian'ny niverenan'ny ady indray, tsy mbola nalemy mihitsy, mahazo toerana ny M23 ary manitatra ny dindony any Kivu Avaratra. Asehon'io ny tena tsy fahampiana ho an'ny fitondràna ao Kinshasa, izay mitady fomba hakàna indray ireny faritany ireny, ary hiaro azy ireny mba hahafahana manatontosa ny fifidianana hoavy any amin'ireny toerana ireny. Ambana mety tsy hisiana fahamarinan-toerana mandritra ny fifidianana Miomana hanao fifidianana ben'ny tanàna ny ao RDC amin'ny faran'ny Desambra. Nizotra tsara ny dingana fanavaozana lisi-pifidianana natao nanerana ny firenena, saingy sarotra ny fanoratana ny anaran'ireo mpifidy tany atsinanan'ny firenena. Nitarika mihitsy aza izany, ho an'ireo pôlitisiàna sasany sy fikambanana avy amin'ny fiarahamonina sivily , ho amin'ny fitakiana ny fanalavàna ny fanoratana anarana any amin'ireny faritra ireny. Mitàna anjara toerana goavana mandritra ny dingam-pifidianana ny fiverenana tamin-kery nataon'ny M23. Mialoha ny zavatra rehetra, ny fisiany dia mampitombo ny haavon'ny tsy fandriampahalemana any amin'ny ampahany iray ao amin'ny firenena izay faritany faharoa amin'ny resaka habetsahan'ny mpandatsa-bato. Voatery mandositra, tsy mitsahatra mitombo isa ireo mpifindra monina anatiny. Ny birao mpandrindra ny raharaha momba ny maha-olona eo anivon'ny Firenena Mikambana, (OCHA) voatanisa ao anaty lahatsoratra iray an'ny Tv5monde , tamin'ny 19 Novambra 2023, milaza hoe : Niteraka sahady mpifindra monina fanampiny mihoatra ny 450.000 ny fiverenan'ny ady indray tamin'ny fiandohan'ny Oktôbra. Ireo faritany ao Kivu Avaratra, Kivu Atsimo ary Ituri fotsiny dia mampiantrano olona nafindra toerana miisa 5,5, tapitrisa mahery. Ankoatra izay, manampy ny M23 ny fisian'ireo vondrona hafa mpihoko ao anatin'io faritra io ihany. Isan'ireny ny Hery Demaokratika Miara-dia (ADF) izay, miozolmana ny ankamaroan'ny mandrafitra azy, manafika olontsotra ary milaza ho miara-dàlana amin'ny Vondrona Fanjakàna Islamika. Misy ihany koa ny rantsana mpihoko avy amin'ny Forces nationales de libération (FNL) borondey izay mipetraka ao amin'ny faritanin'ny Mwenga , ao amin'ny faritany kôngôley any Kivu Atsimo . Ary farany, misy ihany koa ny Coopérative pour le développement du Congo (Codeco), vondrona iray mirotsaka an-tsehatra ho amin'ny fiarovana ny vondrom-piarahamonina Lendu manoloana ny Hemas sy ny tafika nasiônaly ao amin'ny faritany Ituri any avaratra-atsinanan'ny firenena. Araka izany, ho an'ny fitondrana ao Kinshasa, izay tsy mbola mahita vahaolana foana ho an'ny toe-draharaha aterak'ireo mpihoko M23,  dia lasa olana ho an'ny fandriampahalemana ireny vondrona ireny. Ho henjana, araka izany, ny fanarahana maso ireo fifidianana amin'ny 20 Desambra, ary ny fitomboan'ny herisetra dia mety hampirehitra ny faritra manontolo. Araka ny hevitr'i Bob Kabamba, mpampianatra siansa pôlitika ao amin'ny oniversite Liège, ny ambana fiparitahany dia tsy voafetra fotsiny ho eny amin'ireo sisintanin'ny RDC. Eo amin'ny fandraisampeon'ny Tv5monde , mampitandrina izy: Tsy maintsy tsipihana ny fisianan'ny ahiahy ao amin'ny faritra manontolo : ny atsinanan'i RDC, i Afrika afovoany, ny SADEC… samy misintona lakolosy fanairana avokoa momba ny toedraharaha ao Kôngô, momba ny fitohizan'ny tsy fandriampahelemana izay mety hisy fiantraikany any amin'ireo firenena hafa toa an'i Congo Brazzaville, ny République Centrafricaine ary Sodàna Atsimo raha sanatria ka mitsingilahila ny ao RDC.
https://mg.globalvoices.org/2023/11/19/167002/
Zimbaboe : mitolona ho amin'ny fankatoavana azy ireo sisampaty tamin'ilay fandripahana tao « Gukurahundi »
2023-11-19T02:30:27
Unknown
Sary fanehoana an'ni Rex Opara tao amin'ny M inority Africa , fampiasàna nahazoana alàlana. Tany am-boalohany ity tantara ity dia navoakan'ny Minority Africa. Dika nohafohezina no averin'ny Global Voices etoana ao anatin'ny fiarahamiasa mifampizara votoaty. [Raha tsy asiana fanamarihana manokana, dia mitondra mankany amina tranonkala amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra] Satria efa ho tapitra ny 10 taona, fe-potoana fiasàna ho an'ilay Vaomiera Nasiônaly ho an'ny Fandriampahalemana sy Fampihavanana (NPRC) ao Zimbaboe, izay ny tanjony dia ny hitondra fandriampahalemana sy fanakatonana ny ferin'ireo sisampaty ary ny fianakavian'ireo niharan-doza tamin'ireo habibiana tany aloha, feno fahatsapàna fahadisoam-panantenana ny fon'ireo nametraka ny fanantenany tamin'io dingana io. Ilay voamiera, izay najoro tamin'ny 2013 tao anatin'ny fanamboarana lalàm-panorenana iray vaovao ,  dia noraisina ho toy ny tara-panantenana, niandrandràn'ireo niharam-boina sy ireo fianakavian-dry zareo ny fahamarinana sy ny fanakatonana , saingy marobe ireo mihevitra fa tsy nitàna ny teny nomeny izy io. « Amiko, fihetsiketsehana fotsiny ny NPRC », hoy ny nambaran'i Duncan Maseko, 51 taona, tamin'ny Minority Africa. Ny rainy dia isan'ireo niharam-boina nalaina an-kery 30 taona lasa izay. «Ny hany faniriako dia ny hànana vaovao feno momba ny taolambalon'ireo havanay ». Fandripahana tao Gukurahundi Tany amin'ny fiandohan'ny andian-taona 1980, niainan'i  Zimbaboe ny fifandirana iray nitam-piadiana niafara tamina fifanenjanana pôlitika teo amin'ny ZANU-PF [fr] sy ny PF-ZAPU [fr], hetsi-panafahana roa fahiny notarihan'i Robert Mugabe [fr] ilay voalohany ary Joshua Nkomo [fr] ilay faharoa. Ny governemanta, teo ambany fitarihan'ny praiminisitra Mugabe, dia nandefa andian-tafika manokana fantatra tamin'ny anarana hoe Brigade Fahadimy tany amin'ireo faritra andrefan'ny firenena – toeram-pamaharan'ny ZANU-PF mpanohitra. Niafara tamina fandripahana nahatsiravina izany teo anelanelan'ny 1982 sy 1987, fantatra tamin'ny anarana hoe Gukurahundi [fr] (fomba fiteny amin'ny fiteny shona [fr] izay rehefa adika malalaka dia hoe « ny orana voalohany mifaoka ny ampombo mialoha ny oran-dohataona »). Nihoatra ny 20.000 ireo olona maty ary marobe tamin'izy ireny no niharan'ny habibiana nahatsiravina, indrindra fa ny fakàna an-kery, ny hetsika fampijaliana sy ny fanolànana. Sam, rain'i Maseko, dia miaramila fahiny tao amin'ny Tafi-bahoaka revôlisiôneran'i Zimbaboe (ZIPRA) , niady nandritra ilay fifandirana nitam-piadiana niafara tamin'ny fahazoan'i Zimbaboe ny fahaleovantenany tamin'ny 1980. Ny 11 Febroary 1984, tonga naka azy an-kery tao an-tranony tao Bulawayo, izay tanàna faharoa lehibe indrindra ao amin'ny firenena, ireo mpitandro filaminan'ny fanjakàna ary, toy ireo an'arivony maro hafa, tsy nahita azy intsony ny havany. Ny ankamaroan'ireo olona nosamborina tahàka izany dia tany Bhalagwe no niafaràny, toby iray famonjàna manana endrika toy ny an'ny nazi, any amin'ny 100 km any atsimon'i Bulawayo, toerana nanaovana fampijaliana niharo habibiana tamin'izy ireny, ny sasany tamin'izany niafara tamina fahafatesana. Tamin'ny fotoana mba nisiana sarintsarim-pandriampahalemana [fr] vokatry ny Fifanarahana iray hisian'ny Firaisankina nitsinglahila tamin'ny Desambra 1987,  no nisy ny tena fandripahana natao an'ireo Ndebele [fr], foko vitsy an'isa. Tolona ho an'ny fanasitranana Hatramin'ny nanaovana sonia ilay Fifanarahana Firaisankina, nidona tamin'ny fandavan'ireo governemanta nifandimby nandritra ny telopolo taona tao Zimbaboe ireo ezaka nataon'ireo sisampaty sy ny fianakavian'ireo niharam-boina tamin'ilay fandripahana tao Gukurahundi mba hahazoana fanasitranana. Ilay filoha fahiny, Robert Mugabe, dia nanaiky ny naha « fotoana nanaovana hadalàna » ireny habibiana nahatsiravina ireny, saingy nandà ireo antso natao ho amin'ny fiasàn'ilay vaomiera fahamarinana-fampihavanana [fr] tsy misy hafa amin'ilay tao Afrika Atsimo taorian'ny apartheid. Ny filoha Emmerson Mnangagwa, voampanga ho voarohirohy tao anatin'ireo habibiana, dia nanao fivoriana fakàn-kevitra, saingy mbola nitoetra hatrany ny ahiahy momba ny fanolorantenan'ny governemanta, indrindra fa noho ireo andrana saika hamongatra ireo fasana faobe nefa tsy mbola voafaritra feno ny momba ireo andraikitra notànana tamin'izany. Maro ireo mpikambana avy amin'ireo fianakavian'ny niharam-boina sy ireo vondrona mpiaro zon'olombelona no niampanga ny governemanta ho mikasa ny hanakana ny firaketana ara-tantara lalindalina kokoa an'ilay fandripahana. Ireo fikambanana, toy ny Ibhetshu LikaZulu , izay nanangana takela-pahatsiarovana miisa telo tao Bhalagwe ho an'ireo niharam-boina tany Gukurahundi, ary nopotehan'ireo voalaza fa mpitandro filaminana, dia manohitra mafy izay mety ho firotsahan'ny governemanta ao anatin'ilay dingana fanasitranana. Tao anaty fanambaràna iray, nilaza i Mbuso Fuzwayo mpandrindra ilay vondrona fa : « Na rahoviana na rahoviana, tsy tokony hisy ny famongarana na famindràna razana eo abany fifehezan'ny govenremanta atao an'ireo niharam-boina vokatry ny fandripahana tao Gukurahundi. » NPRC : Fampanantenana tsy tanteraka Ny NPRC, na noheverina aza tany am-piandohana ho toy ny tara-panantenana, dia nisedra fahasahiranana nandritra ny fe-potoana nisiany noho ny tsy fahampian'ny ho enti-manana sy ny finiavana ara-pôlitika. Ela be vao nijoro izy ary niteraka resabe, tsy niasa afa-tsy dimy taona, tamin'ireo folo voalahatra tany am-piandohany. Tamin'ny 2019, Concilia Chinanzvavana, solombavambahoaka avy amin'ny mpanohitra, dia nitaky tamin'ny Fitsarana Avo tao Harare mba hanalava ny fe-potoana iasàn'ny PRC ho hatramin'ny 2028 mba hahafahana manenjika ireo taona dimy very talohan'ny nametrahana azy. Kanefa, nanao fampakàrana tany amin'ny Fitsaràna Avo ny governemanta ary nandresy nahazo fanafoanana an'ilay didy, araka ny itateran'ny Diarin'ny Zon'Olombelona Afrikàna azy. Nandiso fanantenana ireo sisampaty ilay fanapahankevitry ny Fitsarana Avo tsy hanalava ny fe-potoana fiasàn'ny NPRC, ka nilazan'izy ireo fa tsy nisy zavatra tontosa raha resaka fanasitranana sy fanerenana ho an'ireo niharam-boina tao Gukurahundi sy ireo niharan'ireo herisetra pôlitika hafa. Ny tsy nahavitan'ny NPRC nanakatona ka hisian'ny fanadinoana ho an'ireo niharam-boina tao Gukurahundi dia taratra goavana amin'ny olana iray midadasika amin'ny tsy fisiana finiavana pôlitika ary ny fanekena ny fisian'ireo habibiana natao tao Zimbaboe. Ireo sisampaty sy ireo mpiaro zon'olombelona dia miantso ny hisian'ny firotsahana an-tsehatra sy fanadihadiana iraisampirenena mba hitsaboana ireo tsy rariny ara-tantara sy hanokafana làlana mankany amin'ny tena fahasitranana sy fampihavanana. Na eo aza ireo ezaka ao an-toerana, mitohy ny tolona hisian'ny fahamarinana, ny rariny ary ny fampihavanana ao Zimbaboe, ary ho an'ny maro dia mbola hisokatra hatrany ireo ferin'ny lasa. Fehiny, araka ny asongadin'ilay boky « Unspeakable Truths: Transitional Justice and the Challenge of Truth Commissions »  (Fahamarinana tsy hay lazaina: rariny tetezamita sy fanambin'ny vaomiera fahamarinana) an'ny profesora Priscilla Hayner, manampahaizana manokana amin'ny resaka rariny tetezamita dia, na iray aza, tsy misy firenena eto an-tany ka hoe nivoatra raha tsy notsaboina araka ny tokony ho izy ireo tsy rariny tany aloha.
https://mg.globalvoices.org/2023/11/07/166772/
Misandoka ho filohan'ny Vaomieran'nyVondrona Afrikana amin'ny fampiasana IA (HaVO) ireo mpisoloky
2023-11-07T14:45:47
Unknown
Moussa Faki Mahamat, Filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana, nanao lahateny tamin'ny fampahafantarana ny Tara-panantenana (Rays of Hope) nandritra ny lanonana mifanila amin'ny Vovonana natrehin'ireo Filoham-panjakana ao amin'ny Vondrona Afrikanina, Addis Abeba, Etiopia, 4 Febroary 2022. Sary avy amin'i Dean Calma/IAEA Imagebank tao amin'ny Flickr ( CC BY 4.0 DEED ). Ity tantara ity dia navoakan'ny Africa Feeds tany am-boalohany, ary naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny dika naitatra ho ampahany amin'ny fifanarahanam-piaraha-mizara votoaty. Nampiasa ny faharanitan-tsaina Voatr'Olombelona (HaVO=AI) ireo mpisoloky hakana tahaka ny filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikanina, Moussa Faki Mahamat . Manana asa amin'ny maha-mpanatanteraka sy mpitantan-draharaha, manao ny asan'ny sekretarian'ny Vondrona Afrikana (UA), ary azo ampitahaina ihany amin'ny Vaomiera Eoropeana ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana (AUC). Vao haingana i Faki no lasibatry ny heloka an-jotra noho ny fampiasan'ireo tsy vanona nampiasa fitaovana HaVO  hanahaka ny mari-panondroany sy hitady fifandraisana amin'ny mpitondra hafa tamim-pikasana sandoka. Amin'ny maha-filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana azy, matetika i Faki mandefa fampitàna ofisialy amin'ireo mpitondra eran-tany rehefa mikarakara fivoriana, dingana iray antsoina hoe “ fanamarihana am-bava (note verbal) .” Fizotra manaraka lasitra ireo naoty diplaomatika ireo ametrahana fivoriana eo amin'ny mpitarika ny Vondrona Afrikana sy ny solontenan'ny firenena na fikambanana iraisampirenena hafa. Tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny X (Twitter teo aloha), nanambara ny mpitondratenin'ny mpitarika ny AUC, Ebba Kalondo, fa nahavita naka tahaka ny feon'i Faki ireo mpisoloky, nanao antso an-tsary tany amin'ireo renivohitra Eoropeana, toa mba handamina fivoriana. Hoy izy: Pranksters made deepfake videocalls pretending to be Chairperson @AUC_MoussaFaki to severa European capitals. The @_AfricanUnion reiterates its strict adherence to diplomatic protocol and exclusive usage of Note Verbale for high-level engagement requests. Our statement as below: pic.twitter.com/zKkzTNMgYD — Ebba Kalondo (@EbbaKalondo) October 13, 2023 Nanao antso an-dahatsary mamitaka lalina ireo mpisangisangy mody ho Filoha @AUC_MoussaFaki any amin'ireo renivohitra Eoropeana maro. Manitrikitrika ny fankatoavany tanteraka ny arofenitra ara-diplomatika sy ny fampiasana manokana ny Note Verbale ho an'ny fangatahana fiarahamiasa avo lenta ny @_AfricanUnion . Toy ny eto ambany ny fanambaranay: pic.twitter.com/zKkzTNMgYD Araka ny fanambaràna iray nataon'ny AUC , nampiasa adiresy imailaka sandoka ireo jiolahy an-jotra, nisandoka ho tale lefitry ny kabinetran'ny fikambanana mba handaminana antso eo amin'ireo mpitondran'ny firenena vahiny sy amin'i Faki. Nitarika fivoriana niaraka tamin'ireo mpitondra Eoropeana isan-karazany ihany koa izy ireo, tamin'ny fampiasana lahatsary fitaka-lalina hisandoka an'i Faki. Naneho ny alahelony tamin'ireo tranga ireo ny fanambaràna avy amin'ny AUC, ary nanantitrantitra fa ny vaomiera ihany no mampiasa ireo fantsona ara-diplaomatika ofisialy hifandraisana amin'ny governemanta vahiny, matetika amin'ny alàlan'ny masoivohony any Addis Abeba, izay misy ny foiben'ny Vondrona Afrikanina. “Mamerimberina ny fanajany an-tsakany sy an-davany ny aro-fenitra ara-diplômatika sy ny fampiasana manokana ny naoty am-bava (note verbale) amin'ny fangatahana fanoloran-tena avo lenta ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana,” hoy i Kalondo tamin'ny sioka iray. Nanondro ireo mailaka mamitaka ireo ho “phishing” (fanjonoana) ny fanambaràn'ny Vondrona Afrikanina, izay manondro ny fikasan'ireo nahavanon-doza hangalatra mari-panondroana ankihy ho tafiditra tsy nahazo alalana amin'ny torohay tsongoina manokana . Miha-malaza any Afrika ny Deepfakes (fitaka-lalina), teknôlôjia ampiasain'ireo jiolahy an-jotra,  ary indraindray ampiasain'ny sampana sasany hanapariahana fandisoambaovao sy propagandy ao amin'ny kaontinanta. Ahitana fitaovam-paharanitan-tsaina voatr'olombelona ireny teknika ireny hamoronana horonantsary na horonampeo mandresy lahatra avy amin'ny olona iray miteny na manao zavatra tsy nataony akory. Tamin'ny volana Janoary tamin'ity taona ity, nanomboka nivezivezy tao amin'ny media sosialy tao Burkina Faso ny lahatsary , mampiseho vondron'olona samihafa manentana ny olom-pirenena Burkinabe hanohana ny fitondrana miaramila. Nampiasàna Synthesia , rindrambaikon'haranitan-tsaina voatr'olombelona natao ho an'ny famoronan-dahatsary koa ireny lahatsary mamitaka ireny. Niparitaka tany Mali ny lahatsary mitovy amin'izany tamin'ny herintaona . Ary tamin'ny tranga iray nalaza tany Gabon tamin'ny taona 2018, saika nahaongana ny governemanta ny lahatsary iray ahiahiana ho fitaka-lalina, araka ny notaterin'ny gazetiboky Africa Defense Forum (ADF) . Araka ny fikarohana nataon'ny IFC sy ny Google , vonona ny hanana anjara biriky 180 miliara dolara amin'ny toekarena ankapobeny amin'ny taona 2025 ny e-toekaren'i Afrika. Na izany aza, mitondra izay ambana mety hitranga entiny ihany koa ny fiankihina (dizitalizasiôna) malaky, amin'ny tombana fa mety mitentina hatramin'ny 4 miliara dolara isan-taona ny heloka an-jotra fotsiny, araka ny tatitry ny tranokalan'ny Investment Monitor . Raha naneho ny alahelony tamin'ny trangan-keloka bevava an-habaka izay nanao ho lasibatra an'i Moussa Faki Mahamat ny AUC, ary nanavoitra ny adidiny hanaraka an-tsakany sy an-davany ny aro-fenitra diplaomatika, tsy nilaza antsipiriany ny fanadihadiana sy fisamborana ireo nahavanon-doza ny fikambanana, na izay fepetra rehetra kasainy horaisina hisorohana ny famitahana lalina hoavy.
https://mg.globalvoices.org/2023/11/11/166793/
Manome sehatra tantara mampientam-po ny #MeToo (Za koa) Malagasy nosoratan'i Hary Rabary
2023-11-11T04:14:17
Unknown
Miomana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana novambra izao i Madagasikara, fifidianana izay efa nahemotra indray mandeha taorian’ny fihetsiketsehana sy ny herisetran’ny polisy . Tsy misy ny vehivavy mpirotsaka hofidiana , mariky ny fiarahamonina manome tombontsoa ny lehilahy ary mahatonga ny vehivavy ho tsy hita maso sy ambany ara-piarahamonina. Elles [les écrivaines] expliquent leur choix de la langue française par la difficulté d’énoncer dans la langue nationale des contenus notionnels particuliers et certains référents culturels qui, selon elles, convoqueraient les langues dialectales ou le français davantage que le malgache officiel. Mais, toujours d’après ces enquêtes, leur choix s’expliquerait surtout par la difficulté d’énoncer des thèmes ou un ton, par exemple l’érotisme, leur souci principal restant d’éviter des « messages anticonformistes pouvant heurter un certain puritanisme. Sarin'i Hary Rabary, sary nahazoana alalana. FN: Ny lohatenin'ny tantaranao #Zakoa dia midika hoe #metoo amin'ny teny anglisy. Manao ahoana ny fahatsiarovan-tena sy ny feo amin'ny #metoo eo amin'ny tontolo [odidina] Malagasy? Hary Rabary (HR): Parler de viol et d’abus sexuel en public est presque un tabou à Madagascar. Quand les victimes sont des adolescentes et des adultes, le délit ou le crime restent souvent sous silence. Car dans la plupart des discours entendus dans la société malgache, la victime est forcément fautive. Pour la société, mais surtout pour les femmes qui y évoluent, la victime a obligatoirement « quelque chose à se reprocher » : un regard de travers, un sourire aguichant, des vêtements trop courts ou trop moulants, des seins trop gros, ou des fesses trop rebondies. Par ce jugement, la société désigne les coupables, les victimes et non pas l’agresseur. Les rares fois où la famille emmène une victime adolescente en consultation dans les suites d’une agression sexuelle, tout au moins dans la ville où j’exerce en tant que gynécologue obstétricienne, il n’y a pas de plainte, les familles cherchent seulement à prouver que la fille n’est plus vierge, qu’il y a eu effectivement défloration, non pas pour porter plainte, mais pour extorquer de l’argent à l’agresseur ou à sa famille. Personne ne se soucie de la souffrance de jeune fille. Personne ne se soucie de son avenir. J’ai l’impression que tout ce qui importe pour les parents, c’est de tirer des bénéfices de la situation. Je suis sans doute trop sévère, c’est peut-être leur manière de demander réparation. Pour la victime, ceci ne fera que la diminuer. Elle a été agressée, violée. Tout le monde fait « passer l’éponge sur l’agresseur » quand celui-ci accepte de donner de l’argent. C’est comme si l’agresseur avait « consommé » avant de payer. C’est rendre la jeune fille au rang d’une simple marchandise. Les parents et la société, heureusement, sont plus regardants quand il s’agit d’abus et de viol sur les enfants en bas âges. Dans ces cas-là, il y a véritablement une plainte auprès des autorités compétentes. Il y a des condamnations quand c’est avéré et qu’il y a des témoins. Dans le cas contraire, les « présumés coupables » sont souvent relâchés au bénéfice du doute, car « absence de preuve concrète », « défloration ancienne » selon le certificat médical. Mais que peut-on conclure d’autre lors d’un examen gynécologique si les faits s’étaient déroulés il y a quelques semaines voire même des mois avant l’examen médical ? « Ancienne » ne peut pas situer la date exacte de l’agression ni préciser l’identité de l’agresseur. Hary Rabary (HR) : Saika fady eto Madagasikara ny miresaka imasom-bahoaka momba ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo. Rehefa tanora sy olon-dehibe ireo niharam-boina, dia tsy re intsony matetika ny fandikan-dalàna na heloka bevava. Satria amin’ny ankamaroan’ny lahateny heno eo anivon'ny fiaraha-monina malagasy, dia tsy maintsy ho diso ilay niharam-boina. Ho an'ny fiarahamonina, fa indrindra ho an'ireo vehivavy lehibe tamin'izany, tsy maintsy manana “zavatra hanomezan-tsiny” azy ilay niharam-boina: fijery miavona, tsiky mamitaka, akanjo fohy na tery loatra, nono lehibe, na vody mibontsina loatra. Ny meloka, ny niharam-boina fa tsy ny mpanolana no tondroin'ny fiarahamonina amin'ny alalan'izany fitsarana izany. Amin'ny fotoana vitsy itondran'ny fianakaviana ny lasibatra tanora mba hizaha fahasalamana taorian'ny fanolanana, fara fahakeliny ao amin'ny tanàna iasako amin'ny maha mpitsabo taovam-pananahana ahy, dia tsy misy ny fitoriana, te-hanaporofo fotsiny ny fianakaviana fa tsy virjiny intsony ilay zazavavy, fa nisy tokoa ny fanimbana, ary tsy natao hitoriana izany, fa natao hangatahana vola amin’ilay mpanolana na ny fianakaviany. Tsy misy miraharaha ny fijalian’ilay tovovavy. Tsy misy miraharaha ny hoaviny. Tsapako fa ny zava-dehibe ho an'ny ray aman-dreny, dia ny ahazoana tombotsoa amin'ny toe-draharaha. Masiaka loatra angamba aho, angamba izany no fomba fangatahan'izy ireo fanonerana. Ho an'ny niharam-boina, hampihena ny fijaliana fotsiny izany. Voatafika izy, naolana. “Mamela ilay mpanolana avokoa” ny rehetra rehefa manaiky hanome vola izy. Toy ny hoe “nihinana” ilay mpanolana vao nandoa vola. Mahatonga ilay tovovavy ho entam-barotra fotsiny izany. Soa ihany fa mitandrina kokoa ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina manoloana ny fanararaotana sy fanolanana ankizy madinika. Amin’ireny tranga ireny dia misy tokoa ny fitoriana any amin’ny tompon’andraikitra mahefa. Misy ny fanamelohana rehefa voaporofo ary misy ny vavolombelona. Raha tsy izany, matetika avoaka noho ny fisalasalana ireo “heverina ho meloka”, satria “tsy misy ny porofo mivaingana”, “fanimbàna efa taloha” araka ny taratasy fanamarinana ara-pitsaboana. Inona koa anefa no azo tsoahina amin’ny fizahana taovam-pananahana raha toa ka efa herinandro vitsivitsy na volana vitsivitsy mialoha ny fizahana ara-pitsaboana no nitranga ny fanolanana? Tsy afaka mahita ny daty marina nitrangan'ny fanolanana ary tsy mamaritra ny mombamomba ilay mpanolana ny filazana hoe “Taloha”. FN: Navadikao ho tantara ity lohahevitra ity. Ahoana no fomba nanaovana izany fiovana izany, ary nahoana no tantara no nosafidiana hiresahana momba ny vatan'ny vehivavy sy ny zon'izy ireo amin'ity lohahevitra ity? HR: Pour ma part, il n’y a pas vraiment eu de processus d’écriture en particulier. Quand une idée germe dans mon subconscient, elle s’impose d’elle-même. Pourquoi un roman ? Tout simplement parce qu’avec un roman, la personne qui lit est libre de penser ce qu’elle veut, et d’interpréter les scènes et les paroles à sa guise, en toute intimité. La personne qui lit n’est pas obligée d’émettre un avis en public. La prise de conscience se fait en toute liberté, sans qu’on ait forcément besoin d’exprimer quoi que ce soit. Elle peut faire le choix d’adhérer à la cause et de mener une lutte contre la violence et contre le viol en particulier. Parce qu’avec un roman, on ne sait pas où s’arrête la vérité et où commence la fiction. HR: Ho ahy, tsy nisy fomba fanoratana manokana. Rehefa misy hevitra mitsimoka ao amin'ny amparahatoko, dia mipetraka izy. Nahoana no tantara? Tsotra fotsiny satria amin'ny tantara, afaka mieritreritra izay tiany, ary mandika ny sehatra sy ny teny araka izay tiany, ao anatin'ny fiainana manokana ny olona mamaky. Tsy voatery maneho hevitra ampahibemaso ny olona mamaky. Miseho malalaka ny fahatsiarovan-tena, tsy voatery hilaza na inona na inona. Afaka misafidy ny hanatevin-daharana ny hetsika izy ary hitarika ady manoloana ny herisetra ary indrindra indrindra manoloana ny fanolanana izy. Satria amin'ny alalan'ny tantara, tsy fantatrao hoe aiza no hiafaran'ny marina ary aiza no manomboka ny tantara foronina. ​ FN : Ahoana no nandraisan'i Madagasikara sy ny ampielezana malagasy ity tantara ity? HR: Le roman est plutôt bien reçu. Les encouragements fusent par rapport à la lutte contre la violence à Madagascar. Évidemment, il ne fait pas l’unanimité, mais les échos sont encourageants. HR: Voaray tsara ny tantara. Betsaka ny famporisihana amin'ny ady amin’ny herisetra eto Madagasikara. Mazava ho azy fa tsy iraisan’ny rehetra izany, saingy mampahery ny akony. HR: Je n’ai pas en tête tous les noms des autrices malagasy, les premières qui me reviennent spontanément sont Michèle Rakotoson , Mampianina Randria , Esther Nirina et Na Hassi . Il y a certaines maisons d’édition qui se sont spécialisées dans la littérature indianocéanique. “ Dodo vole ” en fait partie, et a une ligne éditoriale consacrée à « Madagascar vue de l’intérieur ». Il y a également les éditions “ No comment ” et “ Laterit ” qui éditent des livres sur Madagascar.
https://mg.globalvoices.org/2023/11/10/166791/
Ny krizy politika Malagasy araka ny fijerin'i Rijasolo, mpakasary
2023-11-10T03:28:52
Unknown
Nifandona tamin’ny mpitandro filaminana ny mpomba ny mpanohitra teo am-pikasana hiditra ny Kianjan'ny 13 Mai taorian’ny antson’ireo kandidà 10 tsy mety mandray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023. Sary tamin'ny 4 novambra 2023 teto Antananarivo. Sary avy amin'i Rijasolo, nahazoana alalana. Miomana amin’ny fifidianana filoham-pirenena iadian-kevitra mafy amin’ny volana novambra izao i Madagasikara, efa nahemotra indray mandeha ny fifidianana taorian’ny fihetsiketsehana sy ny herisetran’ny polisy . Nitafatafa tamin'ilay mpaka sary malagasy Rijasolo ny Global Voices satria mitantara ny vaovao politika amin'ny alalan'ny sary manaitra ihany koa izy. Teraka tany Frantsa izy ary niverina tsy tapaka teto Madagasikara ny taona 2004 ary nanangana atrikasa fakàna sary ho an’ny tanora tany Diego Suarez, tanàna misy seranan-tsambo any avaratry ny firenena. Tamin’ny taona 2011 izy no niverina tanteraka teto amin’ny Nosy ary nanoratra ny bokiny voalohany tamin’ny 2013 “ Madagasikara, nocturnes ” miresaka alin’ny Malagasy. “Ny adin'ny omby” – tetikasa an-tsary ny taona 2013 ka hatramin'ny taona 2022 no nahazoany loka tamin'ny taona 2022 tamin'ny fifaninanana malaza World Press Photo amin'ny sokajy “Africa, tetikasa maharitra”. A zo jerena ao amin'ny tranokalany sy ao amin'ny Instagram ireo sangan'asan'i Rijasolo. Horirantavan ‘i Rijasolo© Sonia Rustenburg, sary nahazoana alalana Filip Noubel (FN) Iza no maka sary eto Madagasikara ary aiza no ahitana azy? Rijasolo (R): Depuis l’avènement des appareils photo numériques à Madagascar, il y a dix ans, beaucoup de jeunes se sont lancés dans une pratique professionnelle de la photographie. Cette pratique exclusive de la photographie, qui leur permet de vivre et cela dans beaucoup de domaines, comme par exemple le mariage, la publicité ou le reportage corporate. Quelques collectifs de photographes et d'agence de photographes professionnels se sont ainsi, créés surtout dans la capitale Antananarivo. En ce qui concerne la photographie documentaire et de reportages, la pratique a vraiment pris un essor au même moment que les autres pratiques photographiques, c’est-à-dire dans les années 2010-2012. Mais les photographes reporters professionnels indépendants sont encore assez rares. Je ne mets donc pas dans le lot les photographes de presse salariés qui travaillent au sein des journaux malgaches, et dont le travail n'est pas assez respecté à mon avis par leurs employeurs. Comme toutes pratiques visuelles et artistiques, la photographie malgache est surtout visible sur les réseaux sociaux, je pense notamment à Instagram ou Facebook qui sont des plates-formes de diffusion qui ont permis de faire connaître énormément de photographes. Il existe aussi des lieux d’exposition, des centres d'Art qui peuvent montrer de la photographie et qui ont une belle notoriété et une vraie mission de promotion des arts visuels à Antananarivo. Mais pour le moment, par rapport à cette émulation qui est vraiment en plein essor, la photographie malgache a encore besoin de plus de moyens et de lieux pour pouvoir se montrer dans la capitale malgache. Toutefois depuis cinq ans environ, la photographie malgache s’exporte énormément et se montre dans des festivals internationaux de photographie, dans des expositions ou des galeries à travers le monde. Ceci est très stimulant pour l’avenir de la photographie malgache. Mpanohitra na natrika ny fivorian’ireo kandidà avy amin’ny mpanohitra iraika ambin’ny folo teto Antananarivo tamin'ny 21 oktobra 2023. Saripikan’i Rijasolo, nahazoana alalana. FN: Nanao ahoana ny asa matihanina amin'ny maha mpaka sary anao? R: Pour ma part j’ai commencé la photographie il y a un peu plus de 23 ans. Ma formation est purement autodidacte. J’ai commencé à travailler en argentique, en laboratoire photo noir et blanc de façon très artisanale, et c'est en 2007 que j’ai intégré un cours professionnel de formation en photojournalisme dans une école de journalisme à Paris. À partir de là je me suis orienté vers le photoreportage et la photographie documentaire, et j’ai décidé d'en vivre complètement. J’ai commencé à travailler régulièrement en tant que photographe freelance pour des magazines et journaux français comme Libération, Le Monde, Paris Match. En  2007 j'ai co-créé avec d’autres photographe-reporters notre collectif qui s’appelle RIVA PRESS qui est toujours actif et présent, et qui nous a permis de faire connaître notre travail et nos identités de photographe documentaires indépendants. En 2011 j’ai ensuite décidé de venir m’installer à Madagascar, mon pays d’origine pour pouvoir apporter une autre façon de raconter mon pays.  Depuis, je corresponds régulièrement avec des médias internationaux, des ONG ou des institutions internationales. Depuis 2013, je suis également photojournaliste correspondant pour l’Agence France presse (AFP). Mpikambana ao amin'ny polisy miady amin'ny rotaka milanona eo afovoan'Antananarivo tamin'ny 2 oktobra 2023.  Saripikan'i Rijasolo, nahazoana alalana. FN: Manao ahoana ny toe-draharaha mialoha fifidianana ary ahoana ny handraisanao azy amin'ny maha mpaka saripika anao? R: Il est assez compliqué d’expliquer de façon claire et nette quelle est la situation pré-électorale ici à Madagascar. Ce qui est sûr c’est que nous vivons une crise politique faite de soubresauts, de fausses informations, de beaucoup de gesticulations dans les rues qui ne portent pas encore leurs fruits pour l’opposition. Donc en résumé il est vraiment très tôt pour savoir vers où cette crise politique se dirige. Dix candidats, sur les 13 se portant à l'élection présidentielle, ont décidé de ne pas participer à la campagne électorale, et donc de ne pas participer au scrutin. De l’autre côté, nous avons trois candidats qui ont décidé de mener campagne comme si de rien n’était, comme si cette crise politique n’existait pas. Tout cela est assez perturbant comme situation pour nous, en tant qu'observateurs. C'est comme si le pays était vraiment partagé en deux et comme si nous étions dans deux pays différents. En tant que photojournaliste correspondant pour l'AFP, il est difficile de faire des analyses concrète et pertinentes sur cette situation. Mon travail se concentre alors tout simplement à couvrir et à parler des faits, de ce qui se passe dans la rue, des manifestation, de la réaction des autorités. Parler des faits et raconter en photo le plus honnêtement possible la situation actuelle. R : Sarotra ny manazava mazava sy mangarahara ny zava-misy mialoha ny fifidianana eto Madagasikara. Ny azo antoka dia miaina krizy politika misamboaravoara, feno ny vaovao tsy marina, fihetsiketsehana maro eny an-dalambe izay tsy mbola namokatra ho an’ny mpanohitra. Koa raha fintinina dia tena mbola aloha loatra ny hahafantarana hoe aiza no hiafaran’ity krizy politika ity. Kandidà folo, amin’ireo 13 mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena, no nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’ny fampielezan-kevitra, ka tsy handray anjara amin’ny fifidianana. Etsy andaniny, manana kandidà telo izahay izay nanapa-kevitra ny hanao fampielezan-kevitra toy ny hoe tsy nisy na inona na inona, toy ny tsy nisy izao krizy politika izao. Manahiran-tsaina anay amin'ny maha-mpanara-baovao anay izany rehetra izany. Toy ny hoe nizara roa tokoa ny firenena ary toy ny any amin’ny firenena roa samy hafa izahay. Amin'ny maha mpanao gazety mpaka sary ho an'ny AFP, sarotra ny manao famakafakana mivaingana sy mifanaraka amin'izany toe-javatra izany. Ny asako dia mifantoka fotsiny amin'ny fandrakofana sy firesahana momba ny zava-misy, ny zava-mitranga eny an-dalambe, ny fihetsiketsehana, ny fihetsiky ny manampahefana. Miresaka momba ny zava-misy sy milaza amin'ny sary ny zava-misy ankehitriny ho mahitsy araka izay azo atao. Ny polisy misahana ny rotaka nanaparitaka ny mpanohitra tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso teto Antananarivo tamin'ny 7 Oktobra 2023. Sarin'i Rijasolo, nahazoana alalana. FN: Iza avy ireo kalazan'ny saripika malagasy sy afrikanina tianao hho fantatry ny mpamaky manerantany? R: C’est assez difficile de faire un choix sur les grands photographes malgaches ou africains, de dire qui je devrais citer ou pas, car il y en a vraiment beaucoup. Mais si je dois me concentrer sur Madagascar, on ne peut évidemment pas s’intéresser à la photographie malgache si on ne connaît pas le travail du photographe Pierrot Men . Ce photographe couvre et raconte son pays de l’intérieur depuis plus de 30 ans. Il est le photographe contemporain, vivant et emblématique de Madagascar. R : Sarotra tokoa ny manao safidy amin’ireo mpaka sary malagasy na afrikanina malaza, mba hilazana hoe iza no tokony hotanisaiko na tsia, satria betsaka tokoa izany. Fa raha tsy maintsy hifantoka amin'i Madagasikara aho dia mazava ho azy fa tsy ho liana amin'ny sary malagasy isika raha tsy mahafantatra ny asan'ny mpaka sary Pierrot Men . Ity mpaka sary ity no nandrakotra sy nitantara ny tantaran'ny fireneny avy ao anatiny nandritra ny 30 taona mahery. Izy no mpaka sary amin'izao fotoana izao, velona ary manavaka an'i Madagasikara.
https://mg.globalvoices.org/2023/11/13/166897/
Ao Bénin, ireo vehivavy no tena manome laza ny mozikan'ilay firenena
2023-11-13T11:12:27
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ilay mpanakanto,  Angelique Kidjo Tsy dia fantatra loatra raha mitaha amin'ireo Afrikàna mpiray vodirindrina aminy, ny lazan'ny mozika beninoà dia avy amin'ireo vehivavy izay nitondra io lova io hatrany Eorôpa. Vondrom-poko miisa 4o no mandrafitra ny Repoblikan'i Bénin , firenena iray ao Afrika Andrefana, ary miparitaka anatina finoana marobe, izay ahitàna ny kristianina, ny miozolmàna, ny animista indrindra indrindra. Na tsy hita any anaty antontanisa aza, ny fivavahana “vodoun” no tena arahan'ny maro ao amin'ilay firenena. Eny tokoa, mazàna i Bénin no faritana ho toy ny firenen'ny vodoun , na antsoina ihany koa hoe fanjakan'ny vodoun, ilay tontolon'ireo andriamanitra sy ny hery tsy hita . Ny vodoun dia fivavahana iray mampivady ireo hery tsy hita sy ny mihoatra ny natiora izay ampiasain'ireo mpanaraka ny vodoun mba hifandraisany amin'ireo andriamanitra. Iainan'ny ao Afrika Andrefana izy io, ao Tôgô, Bénin sy any amin'ny sasany amin'ireo vondrom-piarahamonina mainty ao Brezila sy Etazonia ary Karaiba. Mitàna anjara toerana goavana io marika ara-kolntsaina io amin'ny maripamantarana ny firenena, izay tsy isalasalan'ireo mpanakanton'ny hira ny manome lanja azy any anatin'ny zavakanto ataony. Tantara voalohan'ny mozika avy amin'ny fombandrazana Efa nanomboka hatrany amin'ny 1960 ny tantaran'ny mozika beninoà, taorian'ny nahazoany fahaleovantena, fony ilay firenena nahita voalohany ireo andian-taranaka mpiangaly mozika nipongatra avy ao amin'ilay firenena. Yédénou Adjahoui (1930-1995) no heverina ho toy ny iray amin'ny mpisava làlana ireo gadona izay aingam-panahy nalaina avy amin'ireo mozika nentindrazana. Naka gadona marobe ny mozikany, toy ny massè-gohun , agbalè ary ny Zinli ankoatra ny hafa. Ny Zinli dia gadona sy mozika nentindrazana lalaovina amin'ireo zavamaneno toy ny gong , tam-tam, ogene , “castagnettes” nentindrazana ary tehaka tànana miady rima amin'ny dihy , ny hira ary koa ireo korintsana atao eny an-doha. Indro ny fanehoana iray : Nandritra ny fotoana niangaliany mozika dia tao anatin'ity endrika farany ity ilay mpanakanto no nivoatra . Ao anaty lahatsary, ny lohateny Agogo Zinli , iray amin'ireo hiran'i Yédénou Adjahoui : Nasongadin'ireo mpanakanto hafa tany anatin'ny hiran-dry zareo ny fombandrazana vodoun ao Bénin. afangaron'i Alekpehanhou any anatin'ny famorona-kirany ny ohabolana amin'ireo tantara. Hakàny aingam-panahy ny kolontsaina beninoà ary tantarainy, indrindra fa ireo fombafomba vodoun sasany. Amin'izao fotoana izao, ampiasain ireo hirany mandritra ireo fombafomba fiantsoana hery miafina . Lahatsarin'i Alekpehanhou : Ry Guèdèounguè Mirahalahy , na tsy dia mihetsiketsika loatra aza, dia manodina ny ankamaroan'ireo hirany amin'ny lohahevitra fombandrazana sy kolontsaina. Kihon-dàlana iray: Angélique Kidjo Novain'ny vehivavy iray ny endriky ny mozika beninoà: ilay kintana iraisampirenena, Angélique Kidjo. Mbola kely dia efa nilona tao anatin'ny filalaovana teatra sy mozika, Kidjo, izay manana fiaviana ara-kolontsaina Fon sy Yoruba nolovainy avy amin'ireo ray aman-dreniny, nahazo aingampanahy ihany koa avy tamin'ilay vehivavy tôgôley mpihira Bella Bellow , tafiditra aloha be tao anatin'ny sehatry ny mozika izy. Taorian'ny niaingàny ho any Frantsa, nanaraka fianarana mozika tao Parisy izy tany amin'ny taona 90. Lasa kintan'ny mozika izy tany amin'ny fiandohan'ny 2000 ary ankehitriny dia efa manana rakikira miisa 19, sy loka marobe goavana, isan'izany ireo Loka Grammy awards miisa 5 . Niaraka niasa tamina artista marobe manan-daza izy, tao amin'ny fireneny, tao Afrika ary erantany. Ny niarahany niasa tamin'ilay Nizeriàna artista Burna Boy no iray amin'ireo hira ao anatin'ny rakikirany farany Queen of Sheba . Indro ny lahatsary amin'ilay lohateny Do Yourself iarahany amin'i Burna Boy: Eo amin'ny sehatra afrikàna sy erantany, Angelique Kidjo dia sokajiana ho ao anatin'ny misy an-dry Youssou N'dour, ilay olo-malazan'ny mozika senegaly. Misy ihany koa ireo beninoà artista hafa nahomby teo amin'ny sehatra iraisampirenena: G. G. Vikey , ( 1944-2013), Gnonnas Pedro (1943-2004), Stan Tohon . Amin'ireo goavan'ny mozika beninoà , ny Orchestre Poly-Rythmo no mijanona ho tarika iray malaza sy nanamarika betsaka ny saina amam-panahin'ny fahiny. Indro misy fehezana feonkiran'ity vondrona malaza ity: Toy izany koa, Sagbohan Danialou , mpanakanto manana talenta maro sy mahay milalao zavamaneno marobe, ary izany no niavian'ny solon'anarany hoe lehilahy orkestra . Ato anatin'ity lahatsary ity, misy fampisehoana iray nataon'i Sagbohan tao amin'ny fetiben'ny zavakanto vodoun tao Bénin: Mozika iray tratry ny alok'ireo karazana mozika afrikàna hafa Araka ny voalazan'ireo mpanaramaso ny kolontsaina beninoà, misy singa sasany manatarazoka ny fivoaran'ny mozika beninoà sy ny fanekena azy. Jean-Discipline Adjomassokou, olon'ny fampahalalam-baovao sady mpaneho hevitra momba ny mozika ary nitafàn'ny Bénin Intelligent no manazava: Eo aloha ny tsy fisian'ny fanofànana omena ireo beninoà mpanakanto. Hatreto izahay tsy manana sekoly fianarana mozika ao Bénin. Orkesitra vitsivitsy ihany no misy ka any ny olona no mandeha mitsapa tena. (…) Nisy ihany koa ireo orkesitra any amin'ireo kôlejy rehetra ary nikarakara fifaninanana isaky ny tanàn-dehibe sy toeram-pianarana. Amin'izao fotoana izao, ao anatin'ny kitsapatsapa sy ny fanaovan-javatra tsy niomanana isika. Marobe amin'ireo zoky no tsy nandalo sekolin'ny mozika. Tsy hoe noho ianao teraka tao anatina fianakaviana mozisiàna, nivoatra tao anatin'ny kitsapatsaka, dia hoe ho lasa matianina tampoka eo. Tsy izany mihitsy. Tanisainy ho ohatra ny fahombiazana erantany azon'i Angelique Kidjo izay amin'ny ampahany dia noho ny nandaozany an'i Bénin sy ny fiofanany tany Frantsa: Nihira tsara i Angélique Kidjo tao Bénin, saingy rehefa tonga tao Frantsa, nandeha niofana tany amina sekoly iray fianarana mozika izy. Feom-behivavy marobe Na beninoà aza, i Kiri Kanta dia mpanakanto mpihira, avy amin'ny foko Parakou , ao avaratr'i Bénin, manao ny gadona mozika  mandingue lalaovina any Mali , Ginea , any avaratr'i Côte d'Ivoire , any Gambia ary any atsinanan'i Sénégal . Maro amin'ireo hirany no mitondra azy handray anjara amin'ireo fetiben'ny mozika mandingues any amin'ireo firenen-tsamihafa ao Sahel. Indro ny iray amin'ireo hirany malaza, Gangangan: Azontsika lazaina ihany koa ny anaraan'ilay mpanakanto Zeynab izay milalao karazana mozika maro. Indro ny iray amin'ireo hirany, nohiraina tamin'ny mina ary notontosaina tao Tôgô, araka ny antsafa iray nomeny ho an'ilay Tôgôley mpanentana ara-kolontsaina, Jean-Pierre Azanledji : Misy andian-taranaka miezaka manandrana ihany koa ireo mozika hafa toy ny zouk sy hip-hop . Ny zouk izay ahitàna ireo mpanakanto toa an'i Richard Flash , Petit Miguelito. Ho an'ny Hip-hop, dia ry Blaaz , Dibi Dobo , Nasty Nesta sy ny maro hafa. Eny amin'ireo zandriny indrindra dia misy mozika an-tanandehibe mivoatra, asehon'ireo mpanakanto sy tarika toy ny Fanicko , Tyaf , Zef, Vano Baby , Nikanor , Sam-T . Indro ny iray amin'ireo lohateny an'ilay mpanakanto Fanicko: Na tsy hita loatra aza, mendrika ny ho fantatra sy zaraina ivelan'i Afrika ny mozika beninoà noho izy mandray anjara amin'ny lova sy ny fitondràna fanavaozana ny tontolo irain'ny mozika andalam-piofoana. Raha mila santionany feno amin'ireo mozika beninoà, jereo ny lisitra filalao  Spotify eto ambany, ary ho an'ireo mozika eklektika maro avy amin'izao tontolo izao, jereo ny mombamomba ny Global Voices ao amin'ny spotify.
https://mg.globalvoices.org/2023/11/02/166643/
Mampihemotra ny fahalalahana maneho hevitra ny lalàna manasazy ny asa fanaovan-gazety anjotra any Bénin
2023-11-02T04:52:44
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube ORTB Manasarotra ny fampiharana ny asa fanaovan-gazety anjotra ao Bénin ny fampiharana ny fehezan-dalàna nomerika mifehy ny mpanao gazety anjotra, ka manohintohina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena. Niteraka fanamby maro ny revolisiona nomerika eo amin'ny tontolon'ny haino vaky jery taorian'ny fivoahan'ny media vaovao toy ny gazety anjotra, onjam-peo an-tranonkala ary fahitalavitra an-tranonkala. Saingy raha ny mifanohitra amin'izany, nanampy tamin'ny fanakorontanana ny fahalalahana maneho hevitra koa ireo fiovana ireo. Eny tokoa,  voamariky ny fahamaroan'ny fampahalalam-baovao ny tontolon'ny media ao Bénin: fantsona fahitalavitra dimy ambin'ny folo eo ho eo, onjam-peo 70 mahery, gazety an-tsoratra an-jatony eo ho eo ary misy mitsangana hatrany isan'andro ny gazety an-tserasera ho an'ny mponina tombanana ho mihoatra ny 13 tapitrisa . Miantoka ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny lalàmpanorenan'ny firenena, ary miantoka ny fiarovana ny asa fanaovan-gazety sy ny fitaovam-pifandraisana rehetra koa ny Fahefana Ambony misahana ny Haino Aman-jery sy ny Fifandraisana (HAAC – ang). Miantoka ny fiarovana ny mpanao gazety ihany koa ny HAAC amin'ny alàlan'ny fehezan-dalàna mifehy ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana no sady manafoana ny fandikan-dalàna. Niteraka fivoahan'ny lalàna vaovao ny firafetana vaovao misy eo amin'ny habaka fampitam-baovao amin'ny alàlan'ny teknolojian'ny torohay sy ny fifandraisana. Nampidirina tao anatin’izany lalàna izany ny lalànan'ny tandohasin'ny asa fanaovan-gazety ary nampiharina tamin’ny mpanao gazety nanomboka ny taona 2018: mikasika ny fehezan-dalàna nomerika izany izay mametraka fameperana maro. Ohatra, ny andininy faha-550, tondro faha-3 milaza hoe: Quiconque initie ou relaie une fausse information contre une personne par le biais des réseaux sociaux ou toute forme de support électronique est puni d'une peine d'emprisonnement d’un (01) mois à six (06) mois et d’une amende de 500 000 FCFA (803 dollars américains) à un 1 000 000 FCFA (1 606 dollars américains), ou de l'une de ces peines seulement. Na iza na iza manomboka na mampita vaovao tsy marina amin'ny olona amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy na amin'ny endrika media elektronika dia voasazy higadra iray (01) volana ka hatramin'ny enina (06) volana ary mandoa lamandy 500.000 FCFA (803 dolara amerikana) hatramin'ny 1.000.000 FCFA ( 1.606 dolara amerikana), na iray amin'ireo sazy ireo ihany. Taorian'ny fampiharana io fehezan-dalàna io, nanamarika ny fidinan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tao Bénin ny laharana navoakan'ny Reporters sans frontières (RSF), izay raha laharana faha-78 tamin'ny taona 2017 dia lasa laharana 112 ny taona 2023 . Araka ny nambaran'ny biraon'ny Amnesty International Bénin , manana anjara toerana lehibe amin'izany ilay fehezan-dalàna resahina: #Bénin Le code du numérique instaure 1 climat de peur et de censure. Il est utilisé pour traquer les journalistes et opposants qui s'expriment sur internet. @amnesty appelle le @gouvbenin à réformer certaines dispositions du code et à se conformer au droit international @wasexo pic.twitter.com/ixKiwPG9FR – Amnesty International Bénin (@amnestybenin) 28 janvier 2020 #Bénin Mametraka tahotra sy sivana ny fehezan-dalàna nomerika. Ampiasaina hanaraha-maso ireo mpanao gazety sy mpanohitra izay maneho ny heviny amin'ny aterineto izy io. Miantso ny @gouvbenin ny @amnesty mba hanavao ny fepetra sasany amin'ny fehezan-dalàna ary hanaraka ny lalàna iraisam-pirenena Fisamborana maromaro Tamin'ny volana Desambra 2019, nampiasa ny fehezan-dalàna nomerika hisamborana ilay mpanao gazety Ignace Sossou ny manampahefana ara-pitsarana. Voampanga ho nanao sotasota tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy izy. Navoakan’ ity mpanao gazety ity tao amin'ny kaontiny X (ex-twitter) ireo fanakianana an'i Mario Metonou, mpampanoa lalàna, nandray fitenenana tamin'ny fihaonambe nokarakarain'ny Canal France International (CFI Media) tao Cotonou momba ny fahatapahan'ny aterineto tamin'ny 28 Aprily 2019, androm-pifidianana solombavambahoaka. : “La coupure d'Internet le jour du scrutin du 28 avril est un aveu de faiblesse des gouvernants” – Le Procureur Mario Mètonou @CFImedias #VérifoxAfrique #Bénin — Ignace Sossou (@Ignacekp) December 18, 2019 “Ny fahatapahan'ny aterineto tamin'ny androm-pifidianana tamin'ny 28 Aprily dia fanekena ny fahalemen'ireo eo amin'ny fitondrana” – Mpampanoa lalàna Mario Mètonou Niteraka hatezerana teo amin'ny fikambanana maro miaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety maneran-tany ny fanagadrana azy. Tamin'ny lahatsoratra tamin'ny 27 Febroary 2020, nampandre tao amin'ny tambajotra X ny Biraon'ny Amnesty International ao Afrika Andrefana sy Afovoany fa tsy heloka bevava ny asa fanaovan-gazety: Ensemble avec @RSF_inter , @AFRICTIVISTES et 5 autres organisations, nous demandons l’acquittement du journaliste #benin -ois Ignace Sossou. Il est en prison depuis plus de deux mois. Le journalisme n’est pas un crime! https://t.co/Howr8jrOi0 pic.twitter.com/VhWhUUF9f7 — Amnesty West & Central Africa (@AmnestyWARO) February 27, 2020 Miaraka amin'ny @RSF_inter , @AFRICTIVISTES sy fikambanana 5 hafa, mitaky ny hanafahana an'ilay mpanao gazety #beninoà Ignace Sossou izahay. Any am-ponja izy roa volana mahery izay. Tsy heloka bevava ny asa fanaovan-gazety! Tamin'ny volana Jona 2020, navotsotra ilay mpanao gazety. Saingy nampiasaina tamin'ny raharaha nahavoarohirohy mpanao gazety hafa ny antony nahatonga ny fisamborana an'i Ignace Sossou . Nampanantsoina i Patrice Gbaguidi sy Hervé Alladé tamin’ny volana Novambra 2021. Nosamborina izy ireo taorian'ny fitoriana fanalam-baraka napetraky ny mpiasan'ny ladoany izay nanondro ny iray tamin'ny lahatsoratr'izy ireo nivoaka tamin'ny volana Aogositra. Tamin’ny volana Desambra tamin’io taona io ihany, dia voaheloka higadra 6 volana sy handoa lamandy 500 000 FCFA (803 dolara amerikana) izy ireo. Nampitain'ny Reporters sans frontières tao amin'ny kaonty X-ny ny vaovao: 1/2 #Bénin 🇧🇯 : détenus depuis le 18 novembre, le journaliste Patrice Gbaguidi et le directeur du journal Le Soleil Bénin, Hervé Alladé, ont été condamnés hier par le tribunal de Cotonou à 6 mois de prison avec sursis et à payer une amende de 500000 francs CFA (760 euros). — RSF (@RSF_inter) December 8, 2021 1/2 #Bénin 🇧🇯 : notànana nanomboka ny 18 Novambra, nomelohin'ny fitsarana Cotonou omaly higadra enimbolana an-tranomaizina sazy mihantona sy handoa onitra 500.000 CFA francs ( 760 euros) ilay mpanao gazety Patrice Gbaguidi sy ny talen'ny gazety Le Soleil Bénin, Hervé Alladé. Ny tranga farany indrindra dia ny an'i Virgile Ahouansè , mpanao gazety sady mpanentana ny onjam-peo Crystal News . Natao ny fisamborana azy taorian'ny fandefasana fanadihadiana momba ireo voalaza fa famonoana tsy ara-dalàna natao tao amin'ny Sekoly Fanabeazana Fototra Dowa any Porto-Novo (renivohitr'i Bénin) tamin'ny 17 Novambra 2022. Nosamborina izy ary notanana am-ponja ny 20 ka hatramin'ny 22 Desambra 2022. Avy eo izy nampangain'ny sampana misahana ny heloka bevava ao amin'ny Fitsarana manasazy ny fandikan-dalàna ara-toekarena sy ny Fampihorohoroana ( Criet ) ao Bénin ho “nanaparitaka vaovao tsy marina tamin'ny aterineto”. Tamin’ny 15 Jona 2023, voaheloka higadra 12 volana an-tranomaizina sy handoa lamandy 200 000 CFA francs (322 dolara amerikana) izy. Manohintohina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny fehezan-dalàna nomerika Amin'ny vanim-potoana nomerika izay ampiasan'ny media lehibe rehetra ny Aterineto mba hanakaiky kokoa ny mpijery, mpihaino ary mpamaky, tsy raharaha ho an'ny mpanao gazety antserasera ihany fa ny olon-drehetra ny fandrahonana mavesa-danja mihatra amin'ny mpanao gazety. Nanontanian'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny WhatAapp i Virgile Ahouansè ka nihevitra fa tsy vitan'ny hoe manohintohina ny fiarovana ny mpanao gazety anjotra ny fehezan-dalàna nomerika. Manamafy kosa izy fa: C'est la sécurité des journalistes en général qui est menacée. Pas seulement ceux des journalistes en ligne. Mais des journalistes en général. Ny fiarovana ny mpanao gazety amin’ny ankapobeny mihitsy no atahorana. Tsy ireo mpanao gazety antserasera ihany. Fa ny mpanao gazety amin'ny ankapobeny. Anisan'ny fandrahonana matetika atrehan'ireo mpanao gazety Beninoà miasa amin'ny nomerika ny fanesorana ny fahafahana, ary indraindray ny fampitahorana. Izany no nitranga tamin'ilay mpanao gazety Ignace Sossou, izay nomena baiko hamafa ny vaovao nampitaina tao amin'ny tambajotra sosialy tamin'ny voalohany. Momba ity tranga ity, nanoratra i Ginette Fleure Adandé , mpanao gazety avy ao amin'ny Voxafrica tamin'ny 6 Mey 2020 hoe: Le procureur accuse le journaliste d’avoir sorti ses propos de leur contexte et lui enjoint, épaulé par les équipes de CFI, de supprimer ces publications. Ce qu'a refusé Ignace Sossou, prenant une telle injonction comme une violation de ses droits. Nampangain'ny mpampanoa lalàna ho namoaka ny fanehoan-keviny ivelan'ny zava-misy ilay mpanao gazety ary nanome baiko azy, niaraka tamin'ny fanohanan'ny ekipan'ny CFI, mba hamafa ireo lahatsoratra ireo. Nolavin'i Ignace Sossou anefa izany, ka noraisiny toy ny fanitsakitsahana ny zony ny baiko toy izany. Manoloana ny fanamby maro atrehin'ny gazety Beninoà ankehitriny, dia mampametra-panontaniana hatrany ny maha matihanina ny mpanao gazety. Romuald Vissoy , mpanao gazety sady mpampianatra, izay nitafatafa tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny WhatsApp nanoro hevitra hoe: Pour leur sécurité, les journalistes numériques doivent se démarquer des activistes du web. Il faut qu'ils soient professionnels et connus des autorités qui régulent les informations dans le pays. Ho fiarovana azy ireo, tsy maintsy miavaka amin'ireo mpikatroka antserasera ny mpanao gazety nomerika. Tsy maintsy matihanina izy ireo ary fantatry ny manam-pahefana mifehy ny vaovao eto amin’ny firenena. Mila mifandamina Mba hanomezana feo bebe kokoa sy ho henon'ny hafa, hahazo tombony amin'ny fananganana vondrona hiaro ny zony ireo mpanao gazety nomerika. Izany no hevitr'i Ozias Houngue , mpanao gazety sady toniandahatsoratra ao amin'ny Libre express , raha nitafatafa tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny WhatsApp: (…)Je crois qu'il est important pour eux de se retrouver en une organisation pour défendre leur droit. Dans n'importe qu'elle démocratie, quand vous ne vous réunissez pas pour défendre vos droits, vous n'obtenez pas de grands changements. J'invite toutefois les journalistes à faire leur travail tout en respectant le code du numérique. (…)Mino aho fa zava-dehibe ho azy ireo ny mivondrona ao anaty fikambanana iray hiaro ny zony. Amin'ny demaokrasia rehetra, rehefa tsy mivondrona hiaro ny zonao ianao dia tsy hahazo fiovana lehibe. Na izany aza, manasa ny mpanao gazety aho hanao ny asany sady hanaja ny fehezan-dalàna nomerika. Mitovy amin'izany ihany koa, tamin'ny volana Desambra 2019 nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, niantso ny mpanao gazety mba ho matihanina kokoa sy hanaja ny tandrohasina sy ny malinasa i Zakiath Latondji , filohan'ny Sendikan'ny Matihanin'ny Fampahalalam-baovao ao Bénin  (Union des professionnels des médias du Bénin) (Upmb). Malgré les conditions difficiles d'exercice du métier de journaliste dans notre pays, l'Union des professionnels des médias du Bénin invite tous les professionnels des médias à faire de l'éthique et de la déontologie des boussoles dans la collecte, le traitement, la publication et diffusion de l'information. Na dia eo aza ny fepetra sarotra amin'ny fampiharana ny asan'ny mpanao gazety eto amin'ny firenentsika, ny Sendikan'ny Matihanin'ny Fampahalalam-baovao ao Bénin dia manasa ireo matihanina amin'ny media rehetra mba hanaja ny tandrohasina sy ny malinasa amin'ny fanangonana, fikirakirana, famoahana ary fanapariahana torohay. Manoloana ireo fepetra fanerena rehetra ireo, tena tandindonin-doza ny asan'ny mpanao gazety, indrindra ho an'ireo izay miasa anjotra, sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Bénin.
https://mg.globalvoices.org/2023/11/06/166797/
Ankoatra ireo fifanarahana matoatoa, tsy misy vokatra hita maso ny fifandraisana ara-toekarena eo amin'i Bielôrosia sy Zimbaboe
2023-11-06T12:40:26
Unknown
Nanao sonia antontan-taratasy maromaro i Bielôrosia sy Zimbaboe. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube tao amin'ny fantsona YouTube ONT (fantsona tohanan'ny governemanta bielôrosiàna). Fampiasàna ara-drariny Tamin'ny fiandohan'ny 2023, nandray an-tànana sy nampiroborobo ny fifandraisan'i Bielôrosia sy Zimbaboe ny mpitarika an'i Bielôrosia Alyaksandr Lukashenka , (izay filohan'i Bielôrosia hatramin'ny nananganana ilay birao tamin'ny 20 Jolay 1994). Nanao fitsidiham-panjakana nandritra ny telo andro tao amin'ilay firenena afrikàna izy ary ho an'ny fiarahamiasa dia  nampanantena fandrosoana tsy nisy hatrizay, ary ho ampahany amin'ny programa mekanika momba ny fambolena dia hanolotra traktera maromaro sy fitaovana fanangonam-bokatra ho an'ny governemanta, mitentina eo amin'ny 66 tapitrisa dôlara amerikàna. Rehefa tafaverina tany Minsk renivohitr'i Bielôrosia i Lukashenka, dia nambara fa vokatra iray azo tamin'ny fitsidihany tao Zimbaboe ny fifanarahana iray mitentina 200 tapitrisa dôlara amerikàna. Araka ny fanazavàn'ny UDF, media bielôrosia tsy miankina, (rehefa halavaina dia  ‘Unity, Democracy, Freedom’), tsy nisy zavatra niova firy hatramin'ny Janoary 2023 raha ny fifandraisana ara-toekarena eo amin'ny firenena roa tonta. Ny UDF dia nanoritsoritra fandaharam-potoana iray tamin'ireo fitsidihana ôfisialy sy ireo antontan-taratasy nosoniavina saika isambolana mihitsy. Tamin'ny Martsa 2023, Frederick Shava minisitry ny raharaha ivelany sy ny varotra iraisampirenena ao Zimbaboe dia nitsidika an'i Minsk, izay nifampiresahany tamin'i  Lukashenka. Tamin'ny Aprily , Auxillia Mnangagwa , vadin'ny filohan'i Zimbaboe koa dia nivahiny tao Minsk. Ny anton-dia ôfisialin'ny fitsidihany dia voalaza fa mifototra amin'ny fahalinany amin'ny rafi-pitsaboana bielôrosiàna, ny fiahiana ny ankizy ary ny famokarana sakafon-jaza. Nokianin'ireo media tsy miankina ao Zimbaboe ilay fitsidihana , tamin'ny filazàna azy iny ho tsy mifanaraka amin'izay voalazan'ny lalànan'i Zimbaboe momba ny anjara asan'ny vadin'ny filoha hanao fitsidihana ara-panjakana . Nambaran'izy ireo ihany koa fa niaraka tamin'ilay mpandraharaha ‘mahabe resaka’ Aleksander Zingman izy, izay notendren'ny filoha Emmerson Mnangagwa tamin'ny 2019 ho kaonsilin'i Zimbaboe ary nofaritan'ireo mpanao gazety nandalina ny Pandora Papers ( 11.9 tapitrisa ireo antonta-taratasy tafaporitsaka izay navoakan'ny International Consortium of Investigative Journalists nanomboka tamin'ny 3 Oktôbra 2021) ho iray amin'ireo tompony  mpiara-miombona antoka amin'ny orinasa iray mitrandraka volamena araka ny fifanarahana matoatoa (tsy mazava) iray . Lukashenka nihaona tamin'ny vadin'ny filohan'i Zimbaboe. Pikantsarin'ny lahatsary YouTube tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Pervyi natsionallyi canal Belorusskogo radio (fantsona tohanan'ny governemanta bielôrosiàna). Fampiasàna ara-drariny Rehefa nihaona tamin'i Lukashenko, ny vadin'ny filohan'i Zimbaboe dia tsy niantso azy fotsiny tamin'ny hoe “ilay rain'ny firenena, fa koa ilay reny. ” Tamin'ny Aogositra 2023, ilay masoivohon'i Zimbaboe vao avy notendrena ho ao Bielôrosia, Ignatius Graham, no tonga tao  Minsk . Na efa taorian'ny nanaovana sonia ireo fifanarahana tany am-piandohan'ny taona aza, nanao sonia antontan-taratasy maromaro ireo tomponandraikitra ôfisialy , isan'ireny ny toromarika iray avy amin'i Lukashenko hametrahana vaomiera iraisana amin'ny May 2023, ireo ministeran'ny fanabeazana dia niara-nanasonia ny drafitra stratejika iray ho an'ny fampianarana ambony sy ny siansa ho an'ny taona 2023–2025, ary ireo Antenimiera hanohana ny fifanekena iray ifanaovan'ny Bielôrosia sy Zimbaboe momba ny resaka fandoavan-ketra roa. Na izany aza, araka ny anasongadinan'ny UDF azy , tsy nisy vokatra azo nampiharina hita avy amin'ireny fifanarahana ireny. Anatin'ireo loharano misokatra , ny hany vaovao azo raisina dia hafatra iray tany amin'ny Aogositra 2023: notaterin'ny masoivohom-baovaom-panjakana BelTA fa traktera miisa 3.575 no tokony atolotra ho an'i Zimbaboe eo anelanelan'ny 2023–2024, ary  efa nanomboka ny fandefasana an-tsambo azy ireny. Avy amin'io angondrakitra io, hita fa hatramin'ny fiandohan'ny taona, zara raha nisy fandrosoana ny momba ilay raharaha . Tany am-boalohany, Lukashenka nanambara fa hanome traktera miisa 3.700 i Bielôrosia. Volana vitsy lasa izay, nanolotra fiara mpamono afo niisa 23 ho an'i Zimbaboe i Bielôrosia . Ny UDF dia mitanisa ny Praiminisitra bielôrosiàna, Roman Golovchenko, ho nilaza fa ao anatina fifanarahana ara-barotra amin'ny any ivelany ifanaovana amin'ireo firenena afrikàna, “tsy mbola voavadika araka ny tokony ho izy ho lasa tetikasa ara-barotra sy ara-toekarena ny renivola pôlitika nangonina hatrizay.” Araka izany, hoy ny tatitry ny UDF , azo ambara fa ny hany zavatra tokana voarain'ny ankolafy bielôrosiàna nandritra iny taona lasa iny dia liona iray vaosesika , fanomezana natolotra an'i Lukashenka nandritra ny fitsidihany an'ilay firenena afrikàna. Liona voasesika, natao fanomezana ho an'i Lukashenka tao Zimbaboe. Pikantsary tamina lahatsary YouTube tao amin'ny fantsona Youtube an'ny RBR Info . Fampiasàna ara-drariny. Araka ny anasongadinan'ny UDF azy , antony roa no mety ho azo hanazavàna ireo ezak'i Lukashenka hametraka fifandraisana amin'i Zimbaboe: na andrana hialàna amin'ireo sazy omen'ny Tandrefana, na andrana hanorina rafitra kolikoly iray sarontsaronana amina endrika fifanarahana ifanaovan'ny fanjakana. Na izany aza, toa miha-mivoatra ihany ny toedraharaha. Voamarik'ireo media tsy miankina ao Afrika sy ao Bielôrosia fa tsy ela akory izay ny iraka manokan'i Lukashenka, Viktor Sheimanre, dia nitsidika an'i Zimbabwe, ka tamin'izany no nihaonany tamin'i Mnangagwa, filoham-pirenena sy Shava, minisitry ny raharaha ivelany, tamin'ny 30 Oktôbra 2023. Araka ny tatitry ny The Zimbabwean ,  niteraka ahiahy ilay fahatongavan'ny jeneralin'ny tafika bielôrosiàna, Viktor Sheiman. Tamin'ny 2018 i Sheiman, nanoloana ireo sazy avy amin'ny Firaisambe Eorôpeàna sy Etazonia, dia efa nivahiny sahady tao Zimbaboe talohan'ireo firesahana fifampiraharahana ara-barotra nifanaovan'ny tsy miankina. Raha ny voalaza, nandritra izay fotoana izay , nifampiraharaha fifanekena ara-barotra izy, nisolo tena ny governemanta bielôrosiàna, indrindra fa ireo tetikasa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany toy ny volamena, ny platina sy ireo tany tsy fahita firy, tao anatina tetikasam-pitrandrahana ifandrimbonana. Kanefa, ireo fiporitsahana antontan-taratasy Pandora dia nahita fa eo amin'ny toeran'izany dia ny orinasa mpitrandraka volamena an'ny zanakalahin'i Sheiman, Sergei sy ilay Bielôrosiàna mpandraharaha, Alexander Zingman, no nisy. Hatry ny taon amaro i Viktor Sheiman no mpanohana mahafatra-po an'ilay Bielôrosiàna mpanao jadona, Alyaksandr Lukashenka. Samy nanasazy azy daholo ny Fiombonambe Eorôpeàna sy Etazonia noho ny resaka fanitsakitsahana zon'olombelona sy ny fanjavonan'ireo mpanakiana an'i  Lukashenka taloha sy nandritra ny naha-lehiben'ny mpampanoa lalàna azy tao Bielôrosia, tamin'ny 2004.
https://mg.globalvoices.org/2023/11/02/166717/
An'ny voambolana ny fitenenana : Fizaràna faha #08
2023-11-02T03:20:36
Unknown
Pikantsarin'ny fantsona YouTube  CamFranglais TV. Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”,  asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, nefa koa ireo tsy afaka adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa tsy nasiana fandikàna sy matetika maka dika vaovao mihitsy.. Hita eto avokoa ireo fizaranay rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole . Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay: Cagnard : voambolana avy amin'ny fiteny ‘occitan ‘ hoe ‘canhard’ izay midika « toerana azon'andro fa voaaro amin'ny rivotra », araka ny fanamafisan'ny rakibolana Robert azy. Matetika izy no ampiasaina amin'ny fomba fiteny hoe « en plein cagnard » ho entina milaza ny hoe « en plein soleil » (amin'ny midanik'andro), toy izay asehon'ity kaonty Instagram ity, avy ao atsimon'i Frantsa, na toy ity ato anaty lahatsoratra an'ny gazety Libération ity izay mitondra lohateny hoe: (Travailler en plein cagnard) Miasa anaty danik'andro, «raha ny isan'ny hatsembohana raraka no andoavana ny karamako, mety ho mpanefoefo  (miliaridera) aho» Je fala les feuilles d’érables contre des bâtons de manioc Ity fehezanteny ity dia mampiasa ny Camfranglais , fiteny iray nipongatra avy any afovoan'ireo oniversite ao  Yaoundé tany amin'ny andian-taona 1980, ary re eny rehetra eny ao Kamerona, mampifangaro ny singa avy amin'ny frantsay, anglisy ary ireo fiteny ao an-toerana. Ny Camfranglais, matetika ambaran'ireo manampahaizana ho fiteny mifangaro, dia mandeha mihoatra lavitra noho ny maha-fifandraisana tsotra fotsiny. Omeny ho an'ireo Kameroney ny fahafahana tokana haneho ireo antsipirihan-javatra sy ireo fihetsehampo manokany. Ohatra iray manaitra ny fampiasàna ilay hoe « bâton » (tsorakazo) , izay sarinteny ilazàna ny « million » (tapitrisa) . Ireo Kameroney any am-pielezana ao Kanadà koa dia nitondra ny anjara biriky miavaka avy aminy ho an'io fiteny io, tamin'ny alàlan'ny famoronana ilay fomba fiteny momba ny «ravina erable» –  f euilles d’érables. Ao Kanadà, maripamantarana manandanja lehibe ho an'ny firenena ny ravina erables, ary rehefa miresaka ravina erables dia tonga ao an-tsaina ny vola dôlara kanadiàna. Araka izany, mety ho rentsika eny anaty fifampiresahana ny hoe « Je fala les feuilles d’érables contre des bâtons de manioc », midika fotsiny hoe «Mitady dôlara kanadiàna aho ho atakalo Francs CFA » . Tsy fomba fiteny tsotra fotsiny ireo, fa misy tantara ampitainy sy itarafana ireo endrika mivoitran'ny fiarahamonina kameroney. Mifanohitra amin'izay mety ho eritreretina, ny  Camfranglais dia tsy natao mihitsy hanakona ny fiteny frantsay, fa kosa hameno azy amin'ny fitadiavana hitsin-dàlana azo ampiasaina. Io fiteny safiotra io izany dia fisehoan'ny fivoarana mavitriky ny kolontsain'ny fiteny kameroney, no sady manamafy ihany ny fifamatorany amin'ny fototra niaviany. Dèguèterie: Fiteny ampiasaina be kokoa ao Afrika Andrefana mampiasa sy miteny frantsay, ary manondro ireo trano fisotroana na toerana fisakafoanana izay ivarotana ny dèguè. Ity sakafo ity, mamy vita avy amin'ny couscous avy amin'ny sorgho sy yaourt (na indraindray habobo ), manana fiaviana maliàna, dia tena ankafizina tokoa ao amin'ny faritra manontolo. Fantatra ihany koa ao  Sénégal amin'ny anarana hoe thiakry . Izy io dia hanina mafàna ho an'ireo mpitia an'io tsindrin-tsakafo io, ary arahan-dry zareo amin'ny tena sakafo avy eo. Ao amin'ny tanibe, rehefa fotoana na fety malaza mahavory olona marobe no ahitàna azy, toy ny fankalazàna tsingerintaona, fampakarambady, batisa. Ankoatra izay, mora atao izy raha arahana ity fomba fikarakaràna ity. Ary indro ny fanaingoana manazava ireo akora fototra rehetra ilaina: Ireo singa tena ilaina raha hanao dèguè feno tsara. Etsy anaty lovia amin'ny havanana, couscous roa samihafa avy amin'ny sorgho sy varimbazaha, ary siramamy; eo anoloana, ronono,; ary ery ambony havia ny gilasy. Sary an'i Jean Sovon, nahazoana alàlana Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org
https://mg.globalvoices.org/2023/11/02/166728/
Fifaranan'ny vanimpotoana iray ao Gabon: Bongo, Oligui ary ny anganonganon'ilay andrianan'i Münchausen
2023-11-02T08:48:50
Unknown
Tao Libreville, tamin'ny Aogositra 2009. Sary an'i Ratozamanana Andriankoto / flickr.com Naverin'ny Global Voices noraisina ity lahatsoratra ity noho ny fiarahamiasany amin'ny www.afriquexxi.info . Afaka jerena ao amin'ny tranonkala Afriquexxi ny lahatsoratra niandohàna. Nandritra ny enina amby dimampolo taona , fianakaviana tokana avy amina foko tokana hatrany no nitondra tao Gabon, mandra-pisian'ilay fanonganam-panjakana nataon'ny jeneraly Oligui Nguema. Tena lalim-paka tany anatin'ireo rafi-panjakana io kiantranoantrano io ka nahatonga ireo mpanaramaso marobe hilaza ny tetezamita demaokratika ho toy ny fanamby tsy hay dinganina. Ny 5 Septambra 2023 no nivoaka teny amin'ireo tambajotra sôsialy ny sary. Albert Ondo Ossa (« A2O »), mpirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena gabôney tamin'ny 26 Aogositra, manao lobaka manga misy sarisary sy pataloha tsotra mahazatra.  Ny 29 Aogositra Brice Oligui Nguema, tomponantoka tamin'ny fanonganam-panjakana iray nanesorana an'i Ali Bongo Ondimba, ny filoha teo aloha mitafy palitao matroka eo ambonin'ny tee-shirt iray sy pataloha “jean”. Iry voalohany dia mpitarika ny vovonan'ireo mpanohitra “ Alternance 2023″ , milaza ny fandreseny tamin'ny fifidianana, ilay faharoa nampiato io dingam-pifidianana ‘mitongilana’ io, araka ny filazany, izay hanolotra fe-potoam-piasàna fanintelony indray ho an'i Ali Bongo, ary nipetraka nandray ny fitondràna. Mifandray tànana izy roalahy ireo, amim-pitsikiana. Oligui Nguema manao akanjo sivily raha, nanomboka tamin'ny 29 Aogositra kosa, tsy miseho vahoaka raha tsy manao fanamiana miaramila. Talohan'izay, ny 4 Septambra, tao Libreville, nijolotra ny fanamiana miloko menan'ny Mpiambina ny Repoblika izy nandritra ny kabarim-pianianany amin'ny maha-filohan'ny Kaomitin'ny Tetezamita sy ny Famerenana ireo Andrim-panjakana (CTRI) azy – lanonana iray nalefa mivantana tamina fàfana iray goavambe tao an-drenivohitra, natrehan'ireo vahoaka marobe ravoravo. Ny hoe niseho vahoaka nanao fitafy sivily tsotra dia mety ho fomba iray, ho an'ilay “putschiste” hanipihana ny endrika manokana sy am-pirahalahiana itafian'io fiahonana izay tena pôlitika tanteraka io, sy mametraka ho any amin'ny sokajy faharoa ny endrika maha-miaramila an'ilay fitondràna vaovao. Andro vitsivitsy talohan'izay, nomelohan'i Ondo Ossa tao amin'ny TV5-Monde ny lazainy fa « revôlisiôna tao an-dàpa » , tamin'ny niampangàny ilay anabavy ivelan'ny tranon'i Ali Bongo, Pascaline, ho tao ambadik'ilay fanonganana nataon'ny filohan'ny Mpambina ny Repoblika, sy tamin'ny fanondroana ny fihavanan'ito farany amin-dry Bongo, amin'ny maha-mpirahalahy zana-kavana lavitr'i Ali azy. Saingy, ao anatin'ny hafatra nalefany nanaraka ilay sary nopihana tamin'ny 5 Septambra, lantompeo hafa no noraisin'i « A2O » : Tanatin'ny maha-olona akaikin'ny fo sy tamim-pirahalahiana tanteraka no nifampiresahako tamin'ny filohan'ny tetezamita sy ny famerenana indray ireo andrim-panjakàna. Ilay minisitr'i Omar Bongo fahiny (teo anelanelan'ny 2006 sy 2008), ny rain'i Ali Bongo, dia toa mandray ilay vanim-potoana vaovao vao misokatra, tsy inona fa ny tetezamita mandritra ny fotoana tsy voafetra nandritra ilay fihoanana (araka ny nambaran'ilay lehilahy mahery vaovaon'ny firenena, dia tsy tokony  « hanafangaro ny hafainganam-pandeha sy ny fikoropahana ») kanefa araka ireo fampanantenana vitsivitsy natao tamin'ireo Gabôney, isan'izany ny fanaovana fitsapankevi-bahoaka hanefena Lalàm-panorenana vaovao sy lalàm-pifidianana vaovao. Kanefa taorian'ireo enina ambi dimampolo taona naha-teo an-tànana fianakaviana tokana azy, ho vitan'ny fanjakàna gabôney sy ireo andrim-panjakana ao aminy ve ny hikarakara tetezamita demaokratika ? Tambajotra mifampidimpiditra Florence Bernault, mampianatra ny tantaran'i Afrika atsimon'i Sahara ao amin'ny Science Po Paris ary manaraka an'i Gabon nandritra ny dimy ambiroapolo taona, no manazava: Tsy nisy na iray aza tao amin'ny Parti Démocratique Gabonais (PDG), na teo anivon'ny governemanta, hatramin'ny 2009, nieritreritra ny ho resy ary tsy nanomana, araka izany, ny tetezamita. Nefa marobe ireo fitaovam-panjakana no teo am-pelan-tànan'ny PDG, toy ny Fitsaràna araka ny Lalàm-panorenana, ny Antenimieram-pirenena… Tsy afaka natao ny hoe hiova filoha fotsiny. Tamin'ny 2005, ilay mpanao gazety avy amin'ny Le Monde, Jean-Pierre Tuquoi, nanoritra an'i Gabon – tamin'ny fomba somary maika be: Firenen'ny fahafenoana izay nametrahan'ny filoha ireo taranaky ny fianakaviana iray maro anaka ho eo anivon'ny fitondràna , nandritra ny fifehezana tsy nisy fahatapahany nandritra ireo taona efa ho dimampolo nifanesy. Tsy nisy na firenena iray aza tao amin'ny tanibe afrikàna ka hoe nanana vahoho nivandravandra be tahaka izao. Nanjary tontolo iray tsy azo nialàna ny fianakaviana Bongo sy ireo nanana fifandraisana taminy. Koa satria nihanaka lavitra be ireo rantsany, ilay zavona mainty dia nampanjavozavo ireo fivakivakisana ara-pôltika sy nanampy tamin'ny fifanjevoan'ny fanjakàna iray nofehezin-dehilahy, izy nivelona tamin'ny vola azo avy amin'ny solika. Tamin'ny 2009, taona nahafaty an'i Omar Bongo sy nahalany ny zanany lahy Ali, mbola nanontany tena hatrany i Florence Bernault sy ilay Gabôney sôsiôlôgy, Joseph Tonda : Lasa toy ny homamiadana ve ka tsy maintsy ilaina ho an'ny rafitra ireo tambajotra mifamatopatotr'ireo mpiara-dia aminy, ireo mpanjifa ary ireo tombontsoa napetraky ny filoha [Omar Bongo] sy ny fianakaviany, izay manetsika ny santimetatra toradroa tsirairay amin'ny pôlitika ao amin'ny firenena ? Fahatapahan-drano sy volabe miavosa Miaraka amin'ny 6 641 dôlar amerikàna (6 214 euros eo ho eo) tamin'ny  2022, araka ny voalazan'ny Banky Iraisampirenena,  Gabon no manana ny Harinkarena Faobe fahefatra isambatanolona ao Afrika atsimon'i Sahara, fa any amin'ireo tanàna lehibe, izay hatramin'ny niandohan'ny andian-taona 2000 niaina ny fahatsaràn'ny resaka fotodrafitsara, dia miverimberina ny fahatapahan'ny jiro sy rano, tsy miasa araka ny tokony ho izy intsony ireo toeram-pitsaboana ary « nitontongana ny fahafaha-mividin'ireo saranga antenantenany », hoy ny hitan'i Florence Bernault, izay nankao Gabon taloha kelin'ireo fifidianana. Zavamisy iray, izay tsy misy tarehimarika avy amin'ny fanjakàna afaka ny hamelabelatra azy. Hoy izy: Tsy misy antontanisa nasiônaly azo raisina intsony, ary milaza zavatra betsaka izany momba ny toetoetry ny fitantanana izay tsy mahavita intsony maka ny hevitry ny fiarahamonina. Efa hatry ny taona marobe, nanomboka navoakan'ireo mpisintona lakolosy tao amin'ny tambajotra sôsialy ireo lahatsary mampiseho làlana simba be, miteraka lozam-pifamoivoizana maro. Ny zavatsikaritra, ifampizaràn'ny Gabôney marobe ny hoe miasa ho ana fianakaviana iray ny fanjakàna, dia vao mainka niharatsy taorian'ilay fanonganam-panjakàna, rehefa nahitàna volabe nitoby  tany an-tokantranon'ny iray tamin'ireo olo-manankajan'ny fitondràna, indrindra fa ireo akaiky ny zanany lahy Ali Bongo, Noureddine, ilay mpandova an-drainy (efa voasambotra hatreto), fa koa tao an-tranon'ny mpiaramiasa iray amin'ny vadin'ny filoha, Sylvia Bongo. Miliara maro amin'ny  F CFA no fitambaran'ireo vola (euros an-tapitrisa maro). Avy hatrany dia marobe ireo Gabôney no nampitaha io vola io tamin'ny tsy fahampian'ireo fotodrafitrasa ho an'ny fitsaboana. Joseph Tonda, sosiôlôgy sy antrôpôlôgy, mpampianatra-mpikaroka no maneho hevitra hoe: Ny harem-bahoaka mihitsy no nafenina tany amin'ireny villa ireny. Anatin'ity firenena manankarena ity, tena efa godraka mampalahelo be ny Oniversite Omar-Bongo [toerana ampianarany ny Sôsiôlôjia]. Mandeha mandranto fianarana ambony any Sénégal, Mali ar Borkina Fasô ny ampahany betsaka amin'ireo mpianatra vao avy nahazo ny diplaoma bakalaorea… Tokony ho ny mifanohitra amin'izany no nandrandraina. Lo ny ati-fon'ny fanjakana, ary ho sarotra ny fanavaozana io rafitra io. Tsy dia misy hafa amin'ilay anganonganon'ny andrianan'ny Münchausen, izay hoe nanavo-tena tsy ho maty an-drano tamin'ny fisintonana ny tenany tamin'ny volony ihany. Fony Bongo rainy, fifampizaràna tany an-tampony Nihamafy ny fahasimbàna hatramin'ny nahatongavan'i Ali Bongo teo amin'ny fahefana. Ilay mpitarika, izay nihena ny fahafahany tamin'ny 2018 noho ny fahatapahan'ny lalandrà henjana nanjo azy, dia tsy nanaraka  ireo fomba fataon-drainy, izay nahay « nizara » fahefana, tsy hoe fotsiny tamin'ny fianakaviany, fa koa, ary indrindra indrindra, tamin'ireo mpitarika hafa isam-paritra. Hany ka, nandritra ny fotoam-pitondrany tsy nisy fitsaharana (1967-2009), nahatsiaro ho voasolo tena ireo tambanivohitra ary nahatsapa ho nisitraka ankolaka an'ilay rafitra. Manazava i Axel Augé, sôsiôlôgy sady mpampianatra-mpikaroka ao amin'ny akademia miaramila ao Saint-Cyr : Tsy ry Bongo irery no nitantana. Notsinjarainy tamina fianakaviana isankarazany ny fahefana, tamina vondrom-piarahamonina ara-poko sy kolontsaina samihafa… » Araka ny filazany, fony fitondràn'i Omar Bongo, nisy « fanetsiketsehana be an'ireo sangany mpitantana » ary « fanavaozana tena goavana ny kilasy pôlitika nifanaraka tamin'ny sitraka sy ny tsy fankasitrahana ». Notanisainy ho porofo ny hoe « mbola misy hatrany ao anatin'ireny fianakaviana ireny olona iray azo lazaina ho namana akaiky na havan'ny pôlitisiàna iray, mpikambana ao amin'ny Mpiambina ny Repoblika… » Amin'ny ampahany, ny faharetan'ny fitondràna dia azo hazavaina amin'ny alàlan'io fifandanjana isam-paritra io ary io « fizaràna voafetra » ny harena io – izay mbola betsaka amin'ny vahoaka no tsy misitraka azy na izany aza. Ireo tena mpitarika ny fanoherana, mivondrona eo anivon'ny vovonana “Alternance 2023″ – Alexandre Barro Chambrier, Albert Ondo Ossa, Mike Jocktane, Paulette Missambo (notendren'i Oligui Nguema hitarika ny Antenimieran-doholona)… – dia efa samy minisitra fony Omar Bongo. Jean Ping ihany koa, mpirotsaka hofidiana tamin'ny 2016 izay ilay fahareseny nolavina no niteraka krizy mahery herisetra taorian'ny fifidianana , dia efa tao amin'ny Ministeran'ny Raharaha Ivelany fony Bongo rainy, ary vady fahinin'i Pascaline Bongo, ilay anabavy ivelan'ny tranon'i Ali. Axel Augé mamintina hoe: Ny fahazain'ilay raim-pianakaviana dia ny nizaràny fahefana tany an-tampony io . Fitakiana rariny sy fitoviana Vinavinain'i Joseph Tonda fa matoa misy ny fanjakana gabôney, dia izy no « vatana, ny maha-olona an'i Bongo » hatry ny ela. Hazavainy: Amin'ny fiteny, rehefa nisy olana iray nipoitra tao anatin'ny fiarahamonina, dia hoy ny fiteny  : “tsy maintsy mandeha manatona an'i Bongo, izy irery no hany manana fahefana handamina ny olana”. Tany anatin'ireo departemanta samihafa, tany anivon'ireo ministera samihafa, ireo rafitry ny fanjakana dia ireo solontenan'ny mpanjaka-filoha no misolo vatana azy, toy ny hoe vatana faharoany izy ireny, izany no rafitra fototry ny fanjakana gabôney. Hahavita manafoana ireny fahazaran-dratsy ireny ve ireo manampahefana mitondra ny tetezamita ka hametraka paradigma iray vaovao araka ny nohazavain'ilay olon'ny anjerimanontolo, Noël Bertrand Boundzanga talohan'ny fifidianana? Ho an'ilay sôsiôlôgy, Axel Augé : Ny tanora no mety ho mpisehatra iray afaka hanapaka ireny fahazaran-dratsy ireny, izay ry zareo mihitsy no iharany voalohany. Ary ampian'i Joseph Tonda: Misy ny fitakiana ny rariny sy ny fitoviana. Tian'ny rehetra raha mba samy hitovy ny daholobe manoloana ny lalàna sy ireo rafi-panjakana, ary tsy hisy intsony ny kiantranoantrano.
https://mg.globalvoices.org/2023/11/03/166751/
Ny Aflatoxins, fitambarana poizina mahafaty, no loza mitatao ho an'ny foto-tsakafo any Afrika Atsinanana
2023-11-03T07:45:42
Unknown
Ampahany amin'ireo katsaka vao avy nojinjaina natoby tamin'ny fomba fanao ao an-toerana amin'ny toerana hanamainana azy ireo amin'ny alàlan'ny rivotra mafàna. Saripika an'i Goodhope Amani, fampiasàna nahazoana alàlana. Miteraka loza mitatao goavana ho an'ny masomboly ao Afrika Atsinanana ny Aflatoxins, fitambarana pozina maromaro azo avy amina karazana holatra . Ny matetika ahitàna ireo poizina dia amin'ireo voly toy ny katsaka (corn), voanjo, voan-dandihazo ary voanjohazo.  Ireo holatra tena mamokatra ny aflatoxins dia ny Aspergillus flavus sy Aspergillus parasiticus , izay mivelona any amin'ireo faritra mando sy mafàna. Ireo holatra mamokatra ny Aflatoxin dia mety handoto ny vokatra amin'ny dingana rehetra, miainga hatrany amin'ny fambolena ka hatrany amin'ny fitahirizana ny vokatra. Any amin'ireo faritra trôpikaly manana toetrandro antonontonony no tena misongadina indrindra ny olan'ny Aflatoxin, toa an'i  Tanzania, Kenya sy Ogandà. Tamin'ny 2016, notaterin'ny governemanta tanzaniàna fa nanodidina ny 14 teo ny fahafatesana nisy nifandraisany tamin'ny fihinanana sakafo voapoizin'ny aflatoxin . Ny Global Voices dia nitafa tamin'i Dr Masolwa Ng'wanasayi ,   gastrôanterôlôjista iray avy ao amin'ny Hôpitaly Aga Khan , Dar es Salaam, izay mitondra fanazavàna momba ny famonoana olona tsikelikely ataon'ny Aflatoxin. Nolazainy fa ny olona tena marefo indrindra dia ireo izay mipetraka any amin'ny faritra ambanivohitra: Any amin'ireo faritra an-tanàndehibe, somary tsaratsara kokoa ny toedraharaha, indrindra fa raha mividy sakafo voamarin'ny Tanzania Bureau of Standards ( TBS ) ianao, izay miantoka fa vokatra tsy misy aflatoxin ilay izy. Tsy eo noho eo ny fiantraikan'ny aflatoxin; miandry 10-15 taona any vao miseho. Ny fifampikasohana maharitra aminy dia manimba ireo selan'ny aty, mampihena ny fahafahan'izy ireny manavao sy manasitrana, ka amin'ny farany dia miteraka fisiana homamiadana. Ny fikarohana fahiny natao tao Afrika dia milaza fa 40 % farafahakeliny amin'ireo homamiadan'ny aty no vokatry ny fifaneraserana be tamin'ny aflatoxin. Dr Masolwa Ng'wanasayi miresaka amin'ny  Global Voices tao amin'ny Hôpitaly  Aga Khan , Dar es Salaam. Saripika an'i  Goodhope Amani, fampiasàna nahazoana alàlana. Nohazavain'i Dr Ng'wanasayi fa tsy ny olombelona ihany no asian'ny aflatoxin, fa afaka ihany koa mamely ny biby fiompy toy ny osy sy ny omby. Ny fihinanana vokatra avy amina biby voaloton'ny aflatoxin dia mety hiteraka ambana ho an'ny fahasalaman'ny olombelona. Nanoro hevitra izy ny hanaovana fitiliana tsy tapaka mba hahitàna sy hitsaboana mialoha azy io . Tao anatin'ny resaka iray nifanaovana tamin'ny Global Voices tao Dar es Salaam, Dr. George Mahuku, zokiolona manampahaizana momba ny zavamaniry ao amin'ny International Institute of Tropical Agriculture (IITA) ho an'i Afrika Atsinanana, Atsimo ary Afovoany, dia nanamarika ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro amin'ny fandotoana ateraky ny aflatoxin: Olana iray lehibe mampanahy ny Aflatoxin, indrindra fa any amin'ireo faritra trôpikaly, satria ny tontolo iainana dia manome vahana ny fitomboan'io holatra io. Amin'izao fotoana isika dia mahita maso ireo tatitra momba ny fandotoana ataon'ny aflatoxin vokatry ny fiovàn'ny toetrandro . Velona amina toetany maina sy maripàna ambony be io holatra io, ary miroborobo manokana rehefa tratry ny rarintsaina ny zavamaniry. Olana iray goavana ho an'ny ao Afrika Atsinanana io. Dr. George Mahuku taorian'ny tafa niarahany tamin'ny Global Voices tao amin'ny biraony ao Dar es Salaam. Saripika an'i Goodhope Amani, fampiasàna nahazoana alàlana Ampian'i Dr. Mahuku hoe ny olana dia manomboka eny an-tsaha, satria ao anaty tany ilay holatra no mivelona. Mba hifehezana ny fandotoana teraky ny aflatoxin, tena zavadehibe ny hiarovana ny voly dieny eny an-tsaha. Tafiditra amin'izany ny fampiasàna masomboly nohatsaraina, ny fiarovana ny voa tsy ho simban'ireo bibikely, fiantohana ny hahamaina tsara ny voa sy fanesorana izay simba. Afaka mampihena be ny fahavoazana ireo fepetra ireo . Fanampin'izay, ireo mpikaroka momba ny fambolena dia namokatra fomba iray “bio-control” antsoina hoe Aflasafe , izay azon'ireo tantsaha ampiasaina mandritra ny fanitrihana masomboly. Ahisaky ny  Aflasafe  ireo holatra miteraka ilay poizina, mitondra fihenana mahatalanjona 80 hatramin'ny 100 % amin'ny fahavoazana, ary 100% raha toa ka natao ara-potoana. Nomarihan'i Dr. Mahuku ihany koa fa ny tena fanamby amin'ny ady amin'ny aflatoxin ao amin'ny faritra dia ny tsy fahampian'ny fanentanana an'ireo tantsaha, toedraharaha iray mampididoza vao mainka hamafisin'ireo fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro misy ankehitriny. Ny tena olana lehibe indrindra amin'ny aflatoxin dia tsy hita maso ny fahavoazana aterany; tsy re tsaika sy tsy re fofona. Fahavalo tsy hita maso no tena ifanandrinantsika. Efa sakana iray goavana ny fandresena lahatra ireo tantsaha mba handray fepetra fifehezana ara-boajanahary ho ana olana iray izay tsy vitan'izy ireo jerena mora foana. Eliamani Singo, taorian'ny tontolo andro tao an-tsahany. Saripika an'i Goodhope Amani, fampiasàna nahazoana alàlana Eliamani Singo, mponina iray ao amin'ny vohitr'i Kabuku any amin'ny faritra Tanga ao atsinanan'i Tanzania, dia efa 20 taona mahery no namboly katsaka. Na nandray fepetra tam-pitandremana aza izy, niainga avy any amin'ny fifantenana masomboly ka hatramin'ny talohan'ny fiotàzana, tsy fantany velively ny olana ateraky ny aflatoxin sy ny fiantraikany amin'ny fahasalaman'olombelona. Hoy izy tamin'ny Global Voices: Mandritra ny fiotazana, ataoko tsara antoka ny hoe maina tsara ny katsaka vao atobiko amina toerana avo mba hitohizan'ny digan'ny fanamainana. Momba ny olan'ny aflatoxin, tena tsy ananako hevitra, araka izany dia tokony hitsidika ireo tantsaha ry zareo manampahaizana momba ny fambolena mba hanaparitaka ny fahalalana ananan-dry zareo. Araka ny vinavina avy amin'ny OMS (Fikambanan Erantany misahana ny Fahasalaman) olona 500 tapitrisa any ho any no tratry ny fatra mycotoxin tsy azo antoka, ka ny ankamaroan-dry zareo ireny dia mipetraka ao Afrika atsimon'i Sahara . Tena mora voan'ny aflatoxin ny katsaka sy ny voanjo, ankoatra ireo foto-tsakafo hafa ao Afrika. Asongadin'io ny tokony hanaovan'ireo governemanta ho laharam-pahamehana ireo ezaka ho fiarovana azo antoka ny sakafo ao amin'ny faritra. Tsy isalasalàna fa mametraka loza mitatao goavana ny aflatoxin, tsy ho an'ny fahasalaman'ny olombelona ihany fa koa ho an'ny fahampiana ara-tsakafo ao amin'ny faritra. Ireo ivontoerana fikarohana momba ny fambolena, toy ny International Institute of Tropical Agriculture (IITA) dia miasa mitady fomba mahomby kokoa hamahàna io olana io. Nanao dingana ihany koa ny governemanta tanzaniàna mba hanabeazana ireo tantsaha momba ny fomba fambolena araka ny tokony ho izy, ny fifantenana masomboly ary ny fomba fitahirizana azo antoka . Ifantohan'ireo tetikasa toy ny tetikasa TANIPAC ny fananganana fotodrafitrasa sy toeram-pitahirizana maoderina ho an'ireo vokatry ny fambolena, ary ny fampianarana ny tantsaha ireo fomba tsara indrindra, miaraka amina drafitra ho fanitarana izany manerana ny firenena. Kanefa, ny fiatrehana ny olan'ny aflatoxin dia ilàna ezaka iarahana mientana satria tsy voafetran-tsisintany izy io.
https://mg.globalvoices.org/2023/10/31/166619/
Ao Sodàna, gadran'ny fanirian-daza pôlitikan'ireo mpitarika miaramila roa ny vahoaka sivily
2023-10-31T02:39:41
Unknown
Sarintanin'i Sodàna, pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny France 24 Any Sodana, ahitana fandripahana foko mitranga eo ambany n'ny firaisambe iraisam-pirenena tsy manan-kery. Ny mponina sivily dia ivon'ny fifandonana mitam-piadiana hifanoheran'ireo tafika roa miady hifehy tanteraka ny firenena. T aorian'ny nanjakany 30 taona tamin'ny fahefana tsy nifampizaràna, n y 11 Aprily 2019 ny filohan'ny Repoblika taloha tao Sodàna , Omar el-Bechir (teo amin'ny toerany nanomboka tamin'ny taona 1989) no voaongana, taorian'ny hetsi-bahoaka efa-bolana nitaky ny fametraham-pialàna tsotra izao tamin'ny filoha sy ny fanovàna ny rafitra fitondrana ao amin'ny fitondràna faratampon'ny firenena. Avy eo, natsangana hiasa mandritra ny 18 volana ny filankevitry ny fiandrianam-pirenena , nampisahanina ny fiantohana ny tetezamita mandra-panao fifidianana demokratika heverina hamerina ny fahefana amin'ny governemanta sivily. Miaramila roa no notendrena ho lohan'ilay filankevitra : ny jeneraly Abdel Fattah al Burhan , sy ny jeneraly Mohamed Hamdan Dagalo , fantatra amin'ny anarana hoe Hemedti. Fa tamin'ny 21 Septambra 2021 , niatrika fikasana fanonganam-panjakana voalohany notarihan'ny mpomba ny filoha taloha Omar el-Bechir ilay filankevitra. Iray volana taty aoriana, ny 25 Oktobra 2021 , fanonganam-panjakana iray vaovao indray no nitranga : noravàn'ny jeneraly Abdel Fattah al Burhan ny governemanta tetezamita . Ho solon'ity governemanta ity, ny 11 Novambra 2021 dia napetraka ny filankevitry ny fiandrianam-pirenena iray vaovao. Nitazona ny toerany ireo jeneraly roa, Abdel Fattah al Burhan sy Mohamed Hamdan Dagalo, saingy vetivety foana, nipoitra ny fifandonana teo amin'izy roa lahy, nampikatso ilay tetezamita demokratika. Mba hahatakarana bebe kokoa ny fiandohan'ny fifandonana dia manome fanazavana fohy ny gazetiboky, Courrier international , ao anatin'ity lahatsary ity : Ny 15 Aprily 2023, Abdel Fattah al Burhan sy Mohamed Hamdan Dagalo izay notohanan'ny Forces armées soudanaises (FAS) iry voalohany ary ny Forces de soutien rapide (FSR) ny faharoa, dia nandatsaka ny firenena ho anaty ady mahafaty. Voampanga ho nampiditra ny olony tao an-tanànan'i Darfour , renivohitr'i Sodàna sy tany amin'ireo tanàna hafa ao amin'ny firenena, tamin'ny 19 May 2023, nalàna tamin'ny asany amin'ny maha-filoha lefitry ny tetezamita azy i Mohamed Hamdan Dagalo. Latsaka an-katerana ho azy ireo mponina sivily, noho ny amin'ny fifandonan'ny hambom-po misy eo amin'ireo jeneraly roa ho an'ny fifehezana ny faritany. Herisetra sy heloka bevava an'ady atao natao tamin'ireo sivily Ny mponina sivily izay tombanana ho 48 tapitrisa mahery amin'ny vahoaka no tena voa mafy satria ataon'ireo ankolafy roa ho lasibatra. Voarakitr'ireo fikambanana iraisam-pirenena, anisany ny Amnesty International , ireo  herisetra sy fandripahana natao tamin'ny mponina. Tao anatin'ny tatitra nataony mitondra ny lohateny hoe “ Nandom-baravarana anay ny fahafatesana” : Heloka bevava an'ady sy fijalian'ny mponina sivily ao Sodana “, navoaka tamin'ny 3 Aogositra 2023, dia tondroin'ilay fikambanana ny maha-tompon'andraikitra an'ireo vondrona roa tamin'ny “fanafihana niniana natao na notanterahana tsy nasiana fanavakavahana” izay nitarika fahafatesana olona an'arivony, sy naratra. Milaza ny ampahany amin'ny tatitra milaza fa : Olona an'arivony, lehilahy, vehivavy ary ankizy no voakendan'ny fifampitifirana, ary matetika ireo mpifanandrina avy amin'ny roa tonta no mampiasa fitaovam-piadiana tsy araka ny tokony ho izy sy ireo zava-mipoaka misy fiantraikany midadasika, maka toerana any amin'ireo faritra be mponina, izay andefasan'izy ireo ny fanafihana. Ny fandrobana sy ny fanimbàna ny fananam-bahoaka sy ny an'olontsotra, anisan'izany ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana sy ilaina amin'ny maha-olona, izay ataon'ireo mpifanandrina amin'ilay fifandonana, dia vao mainka manaratsy ny toe-draharaha maha-olombelona efa tena mahatsiravina. Maherin'ny 2,6 tapitrisa ireo olona nafindra toerana any ivelan'ny firenena ary maherin'ny 750 000 no nandositra any amin'ireo firenena mifanila vodirindrina. Ity ady ity manana endrika ady mitam-piadiana tsy iraisam-pirenena , araka ny fifanarahana tao Genève , dia tokony hitsinjo ny ain'ireo mponina sivily, saingy tsy izay no mitranga. Iharan'ny herisetra isan-karazany izy ireo. Herisetra ara-nofo sy fanolanana faobe atao amin'ireo vehivavy sy tovovavy. A ao anatin'ny tatitry ny Amnesty International, m ijoro vavolombelona ny iray niharan'ny herisetra tao amin'ny faritra El Geneina (tanàna miorina ao Atsimo-Atsinanan'ny firenena, sisintany miaraka amin'i Tchad), : Tsy mis toerana azo antoka mihitsy any El Geneina. Nivoaka ny tranoko aho satria nisy poa-basy tany rehetra tany […] ka naolan'ireo olon-dratsy ireo. Amin'izao fotoana izao aho matahotra ny ho bevohoka […] Tsy ho zakako izany. Mamafy sakoroka sy fahafatesana any amina toerana marobe ireo vondron'olona mitam-piadiana. Nisy trangana vonomoka fahatany natao tany amin'ireo sekoly izy nialokalofan'ireo mponina. Fikambanana iraisam-pirenena iray hafa, Human Rights Watch , no manome ny antsipirihany bebe kokoa tao anaty tatitra nataony mikasika ny herisetra nataon'ireo vondrona mitam-piadiana. Io tatitra io no mampiseho ireo fijoroana vavolombelona mahavaky fo avy amin'ireo sisa velona tamin'ny tifitra sy niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Fifindràna faobe Ny habibiana naterak'ity fifandonana ity dia efa niteraka sahady ny fialàn'ireo Sodaney an'arivony. Ny firenena manodidina no lasa firenena mpampiantrano an'ireo sivily, izay ny ankamaroany dia m ialokaloka ao Tchad. Hatramin'ny datin'ny 10 Septambra 2023, araka ny voalazan'ny antontan'isan'ny Masoivohon'i Firenena Mikambana misahana ny mpitsoa-ponenana (UNHCR), Sodaney mpitsoa-ponenana maherin'ny 400 000 no nampiantranon'ity firenena ity tao amin'ny taniny. Saingy atahoran'ireo tompon'andraikitra Tsadiàna ny mety ho firongatry ny fifandonana izay mety hahakitika ny fireneny. Manahy amin'ny mety hisian'ny fandripahana olona ny Firenena Mikambana. Tao anatin'ny fanambaràna iray, Alice Wairimu Nderitu , Sekretera Jeneralin'ny lefitry ny Firenena Mikambana sady mpanolotsaina manokan'ny Sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana mikasika ny fisorohana ny fandripahana olona, dia manaitra ny amin'ny toe-draharaha mampanahy ao amin'ilay firenena. Manamafy izy ao anatin'ny ampahany iray amin'ny fanambaràny tononin'ny ONU Info fa : Efa-bolana taorian'ny ady tsy nisy fitsaharana, narahin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fanararaotana miely patrana, dia tsy azo ekena ny isan'ny maty, ny naratra sy ny olona an'arivony nafindra tao anatin'ny ady ahitàna famantarana foko miavaka be. (…) ireo herisetra ifanaovan'ny vondrom-piarahamonina sy foko, raha toa tsy voasakana na atsahatra izy ireo dia mety hihamafy ary hitarika an'i Sodàna manontolo anaty ady an-trano, izay ahiana hisy fandripahana olona sy heloka mahatsiravina  mifandraika amin'izany. Samy mahazo fanohanana avy any ivelany ireo ankolafy roa Misy firenena Afrikanina sy hery vahiny manohana avokoa ny andaniny sy ankilany. Tamin'ny Septambra 2023, nampitombo ny fivahinianana tany ivelany i Abdel Fattah al Burhan, indrindra tamin'izany ny tany Ejipta, Sodàna Atsimo, Érythrée, Qatar sy Tiorkia. Ho an'i Khalid Omer Yousif , filoha lefitry ny Antokon'ny Kongresy Sodaney, al Burhan dia ao anaty dingan'ny fanamafisana fahefana. Teo amin'ny haino aman-jery TRT Afrika nilaza i Yousif fa : Mino aho te-hanamafy orina ny toeran'ny miaramila ao anatin'ity ady ity izy amin'ny firesahana amin'ireo firenena mifanila aminy sy ireo mpikatroka isam-paritra sy iraisam-pirenena izay mety hisy fiantraikany amin'ny toe-draharaha any Sodàna. Mandritra izany fotoana izany, araka ny voalazan'ny Le Monde , ny Forces de Soutien Rapide (FSR) an'i Mohamed Hamdan Dagalo dia voatohana ara-tafika avy amin'ireo mpikarama an'ady avy any Mali, Tchad, Niger, Centrafrique, Rosia sy ireo hery hafa avy any Afovoany Atsinanana, tahaka ireo Saodiàna sy ny Émiratis. Manazava izany ity lahatsary an'ny France 24 ity : Ao anatin'ny toe-draharaha toa izany dia tena kely dia kely ny fanantenan'ny mponina Sodaney hahita ireo ankolafy roa hihaona an-databatry ny fifampiraharahana mba hanandramana hamerina indray ny fandriampahalemana ao amin'ny firenena.
https://mg.globalvoices.org/2023/10/30/166589/
Ireo safidy manadalan'ny vanimpotoana nomerika : mamakivaky eny an'elanelan'ireo ambana mitambesatra zon'olombelona ao anatin'ny fanjakan'ny serasera ao Botswana
2023-10-30T08:02:36
Unknown
« Botswana » avy amin'ny Shaund ao amin'ny Wikimedia Commons . Nampiasàna lisansa CC BY-SA 4.0. Ity lahatsoratra ity dia nosoratana tao anatin'ny fiarahamiasan'ny Advox amin'ny Small Media Foundation mba hanolorana anareo ny santatr'andraikitra UPROAR , fitambarana andrana manasongadina ireo fanamby momba ny zo nomerika any amin'ireo firenena napetraka hanaovana fitsirihana ara-potoana erantany ataon'ny Firenena Mikambana. Tamin'ny 2020, ny governemantan'i Botswana dia notondroina ho iray amin'ireo firenena afrikàna mampiasa ny Circles , orinasa iray ao Chypre mpamokatra rindrambaiko fitsikilovana, mba hitsikilovana ireo mpanao gazety sy ireo mpiasan'ny fampahalalam-baovao rehetra manerana ny firenena. Ny fitaleavana miandraikittra ny sampandraharaha mpanangom-baovao sy fiarovana (DSRS) ao Botswana  dia toa hoe efa hatramin'ny 2015 no mampiasa ilay rindrambaiko Circles hijirihana ireo fitaovam-pifandraisan'ny olompirenena . Ny DSRS, izay eo ambany fiadidian'ny biraon'ny Filoha, dia manangona sy manombana ireo angom-baovao anatiny sy ivelany, manome fiarovana ho an'ireo tomponandraikitra ambony ao amin'ny governemanta ary manome torohevitra momba ny resaka fiarovam-pirenena. Botswana dia heverina ho toy ny iray amin'ireo demaokrasia miorina araka ny lalàm-panorenana sy ahitàna antoko maro, matotra indrindra sy marin-toerana. Kanefa, Mandrangaranga sabatra roa lela ny tontolon'ny nomerika ao Botswana, sady mpitondra fampivoarana no kianja lonaka ho an'ny mety hisian'ny fanitsakitsahana zon'olombelona. Arakaraky ny hihamafisan'ireo fanekena ny teknôlôjia, misy ahiahy manelohelo momba ny maha-tsiambaratelo an'ireo angondrakitra, ny fanarahamaso ary ny fahalalahana an-tserasera. Toy ny fanaovana lasibatra jiolahy no anaovana ireo mpanao gazety Tamin'ny tapaky ny 2021, toa hoe nampiasain'ny pôlisy tao Botswana ilay fitaovana Universal Forensic Extraction Device (fitaovana fitrohana araka ny lalàna) novokarin'ny Cellebrite , mpanome tolotra teknôlôjia  fijirihana telefaona. Izany dia mbola fitrohana indray ireo angondrakitry ny telefaona n’ ireo mpanao gazety mba hahafahana mamoritra an'ireo media ao amin'ny firenena. Araka ny tatitra iray avy amin'ny Comité pour la protection des journalistes (CPJ) Komity mpiaro ny mpanao gazety, io teknôlôjia io dia ampiasaina  « hikarohana ireo olona vonona ny hizara vaovao  amin'ireo media ». Jonathan Rozen , zokiolona mpikaroka momba an'i Afrika ao anivon'ny CPJ, dia nanipika fironana iray mampiahiahy amin'ny fitomboan'ny fanenjehana ireo mpanano gazety ho toy ny mpanao heloka bevava nanomboka tamin'ny 2020, nifanandrify indrindra tamin'ny krizy erantany nateraky ny valanaretina COVID-19. Io fivoarana mampiahiahy io dia narahan'ny fandraofana tsy misy antony ny fitaovan'ireo mpanao gazety tamin'ny filazàna resaka fanadihadiana nomerika , nefa ny any ambadiky ny saina dia ny hahitàna ireo loharanon-dry zareo, mazàna noho ny fangatahana avy amin'ireo masoivohom-piarovana. Ny fitomboan'ireo trangana mpanao gazety henjehina amin'ny ady heloka dia ambana iray mampiahiahy ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, andry goavana ho an'ireo fiarahamonina demaokratika. Ny mpanao gazety dia mitànna toerana goavana amin'ny fanerena ireo governemanta sy ireo andrim-panjakana mba hanome tamberin'andraikitra, ary tokony harovana ny fahafahan-dry zareo manao izany fa tsy hoe avadika ho heloka bevava. Ny fakàna an-kery ny fitaovan’ ireo mpanao gazety sy ny fomba fanao manararaotra ny fikarohana  heloka an'habaka dia, tsy hoe fotsiny manitsakitsaka ireo zo fototra ananan-dry zareo, fa koa manohintohina ny tena atin'ny asa fanaovana gazety. Ny fiarovana ny tsiambaratelon'ireo mpanome vaovao no vato fototry ny asa fanaovana gazety tomponandraikitra , ary izay rehetra andrana hanitsakitsahana io fahatokiana masina io dia mety hisy fiantraikany mandresy lahatra amin'ireo fanadihadiana atao momba ny zon'ny vahoaka hahazo vaovao. Tamin'ny Oktôbra 2021, araka ny tatitra iray avy amin'ny Freedom House , ny komity misahana ny zon'olombelona eo anivon'ny Firenena Mikambana dia nilaza ny ahiahiny manoloana ny fitomboan'ny « habe sy velaran'ireo » fomba fanao fanarahamaso mitsabaka ataon'ireo manampahefana ao Botswana amin'ny fiainana manokan'ireo olontsotra, amin'ny alàlan'ny Direction of Intelligence and Security Services (DISS). Nomen'ilay tatitra 2022 avy amin'ny Freedom House ny laharana faha-72/100 i Botswana ao amin'ny filaharana erantany ho an'ny fahalalahana. Ny ezaka tsy nahomby nataon'ny governemanta hampiditra ireo andàlana momba ny fanarahamaso tsy misy fahazoandàlana ho ao anatin'ny lalàna 2022 momba ny dingana mifehy ady heloka sy ny porofo (fanadihadiana voafehy) dia nampitombo ireo ahiahy momba ny fiheveran'ny governemanta ny zo haneho hevitra an-kalalahana. Tsy maintsy hajain'ireo governemanta sy ireo manampahefana ny fotokevitry ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, eny fa na anaty vanimpotoanan'ny krizy aza,  toy ny tamin'ny valanaretina COVID-19. Ilaina ny gazety malalaka sy mahaleotena mba hanaparitaka ireo vaovao marina ho an'ny daholobe, indrindra fa anaty vanimpotoana misy krizy erantany. Tsy maintsy helohin'ny fianakaviambe iraisampirenena ireo ezaka atao hanampenam-bava ny asa fanaovana gazety sy hanozongozonana ny fahafahan'ireo mpanao gazety handrakotra ireo lohahevitra tena manandanja / iankinan'ny aina . Zo sivily sy lalàna, iza no handresy ? Tamin'ny 24 Janoary 2022, ny minisitry ny fiarovana, ny fitsaràna ary ny filaminana, Kagiso Mmusi, no nametraka tao amin'ny antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna momba ireo dingan'ny ady heloka sy ny porofo (fanadihadiana voafehy). Andro roa taorian'izay , ireo fikambanana ao Botswana mpiaro ny fahalalahaan'ny asa fanaovana gazety, indrindra fa ny rantsana ao Botswana ho an'ny Media Institute of Southern Africa (MISA), dia namoaka fanambaràna iray nanamafisany fa ilay volavolan-dalàna dia tsy inona fa « fiverenana fotsiny ihany amin'ny fanaovana ho heloka bevava ny asa fanaovana gazety, ary miaraka amin'izany, ny fahalalahana maneho hevitra ». Namoaka fanambaràna ihany koa ireo fikambanana hafa mpiaro zon'olombelona, indrindra fa ny vondrona mpandinik'asan'ireo  ONG ao amin'ny Examen périodique universel (EPU), ivondronana fikambanana enina sy tarihan'ny Foibe mpiaro zon'olombelona ao Botswana (Ditshwanelo), nanasongadinana ny momba ireo mpanao lalàna ao amin'ny firenena . Ireo fikambanan'ny media, indrindra fa ny Southern African Publishers Forum (SAEF), ny African Publishers Forum ary ny Campaign for Free Expression (CFE), dia samy niray feo tamin'ny fanamelohana ilay volavolan-dalàna avokoa. Rehefa naroso hodinihan'ny antenimieram-pirenena ilay tolodalàna, tezitra ny vahoaka nanoloana ny fikitikitihana ny fiainana manokana sy ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. Ny niafaràny dia nosintonina sy nasiana fanovàna ilay tolodalàna . Nisy tolodalàna iray vaovao nolaniana ka nampiditra andalàna vaovao toy ilay andininy faha-7 , « Fiarovana ny fiainana manokana any anatin'ireo fanadihadiana voafehy » – izay, ankoatra ny hafa, « mandràra ireo mpanao fanadihadiana tsy hipaingotra ny fifandraisana raha tsy misy didy fanirahana », raha ny tany aloha, nanome fahefana ireo manampahefana ho afaka manao fanadihadiana tsy misy didy fanirahana no sady hipaingotra  fifandraisan'olona mandritra ny 14 andro ilay tolodalàna. Tondroin'ireo fanamby etsy ambony fa ny tontolon'ny zo nomerika ao Botswana dia mbola maha-be ahiahy eny anivon'ny fiarahamonim-pirenena sivily ao an-toerana. Ao anatin'ny vanimpotoanan'ny fiovàna nomerika, miatrika olana saro-bahàna i Botswana :  ny fampanantenana fampandrosoana miharo ambana goavana ho an'ireo zo fototra maha-olombelona. Arakaraky ny itomboan'ny dingana vitan'ny teknôlôjia, mipoitra ireo ahiahy momba ny tsiambaratelom-piainana nomerika, ny fanarahamaso ary ny faharefoan'ny fifandanjana eo amin'ny famoronana sy ny fahalalahan'ny tsirairay. Fanitsakitsahana ny zo nomerika Tamin'ny tapaky ny taona 2020, nosamborin'ireo olon'ny fiarovana ao Botswana ny mpanao gazety roa avy amin'ny gazety Weekend Post , tamin'ny filazàna azy ireo ho naka sary ny tranobe iray tsy misy marika amantarana hoe misy ifandraisany amin'ny Direction des services de renseignement (DIS) -Fitaleavan'ny Sampana Mpanangom-Baovao. Ireny fisamborana ireny dia niteraka ahiahy momba ireo fandrahonana atao amin'ireo haino-vaky-jery ao anatina firenena iray izay deraina  amin'ny ankapobeny noho ny demaokrasia ananany. Fiampangàna mety hahazo ireo mpanao gazety nosamborina ny hoe « fanakorontanana mahazatra » ary mety handalo alina airay any an'efitranokely famonjàna vonjimaika ry zareo. Ny fisamborana an-dry zareo dia anisany tafiditra ao anatin'ny filàmbaniny tsy mitsaha-mitombo atao amin'ireo haino-vaky-jery tsy miankina ao Botswana. Na eo aza ny fahaiza-mitarika ananan'ny filoha Masisi, tsy mbola nisy fiovàna ny lalàna mifehy ny fahazoana maka vaovao sy ny momba ireo haino-vaky-jery. Botswana dia mampihatra ny maha-tsiambaratelo ny angondrakitra, amin'ny alàlan'ilay andininy faha-9 ao amin'ny Lalàm-panorenany sy ny lalàna momba ny fiarovana ireo angondrakitra, lany tamin'ny 2018 (DPA) . Ny hiarovana ny angondrakitra manokan'ny olona sy ny zo hanana fiainana manokan'ny tsirairay no tena tanjon'ny DPA. Izy no mamaritra ireo fotokevitra araka ny lalàna momba ny fikirakiràna ireo angondrakitra, manendry kaomisera iray ho amin'ny fiarovana ireo angondrakitra ho fampiharana, mametraka ny fetra amin'ny fikirakiràna ireo angondrakitra saropady ary manome ny zo ho an'ireo olona voakasik'izany. Io lalàna io dia novolavolaina mba ho an'ny « fitantanana ny fiarovana an-tserasera sy ny fifehezana ny heloka an-tserasera ». Fanafodiny sy tolokevitra ho an'ny isam-batanolona sy ireo fikambanana Laboratoara iray itambarana sampandraharaha maro ary miorina ao Kanadà ny Le Citizen Lab, mifantoka amin'ny fikarohana, ny fitrandrahana ary ny pôlitika stratejika avo lenta sy ny firotsahana amin'ny sehatry ny lalàna momba ireo teknôlôjian'ny fampahalalam-baovao sy fifandraisana, ireo zon'ny olona sy ny fiarovana maneran-tany. Tolokeviny ho an'ny tsirairay, toy ny mpanao gazety, ireo mpikatroka na ireo mpiasam-panjakana, ny hoe ny faharefoan'ireo tambajotra dia mitondra ambana ho amin'ny fijirihana sy ny fampanekena lembenana ireo kaonty. Toroheviny  ihany koa ny hifindràna amina fanamarinana in-droa miantoana mifototra amin'ny fampiasàna ny SMS raha sanatria misy ambana mifandraika amin'ny toerana, ary tolokeviny ny hampiasàna ireo fanalahidim-piarovana sy ny famelomana ireo codes PIN/tenimiafina fiarovana  ho an'ireo faampiasa toy ny  Signal, WhatsApp sy Telegram mba  ho mafimafy kokoa ny fiarovana. Marihan'ny tatitra Londa 2020 momba ireo zo nomerika sy ny fampiatiana ao Botswana, navoakan'ny Paradigm Initiative, ny fanapariahana ireo tambajotra CCTV fanarahamaso napetraky ny governemanta ao Botswana, ary ny tsy fisian'ny mangarahara amin'ireo hetsika fanarahamaso. Ilaina ny manohy manao tsindry hisian'ny fangaraharàna, indrindra fa ao amin'ny fomba fiasan'ireo tambajotra CCTV fanarahamaso sy ny itantanany ireo angondrakitra. Ireo lalàna momba ny fiarovana ny angondrakitra sy ny fenitra fifehezana ny tamberin'andraikitra sy ny fangaraharàna, toy izay voafaritra etoana, dia mety ho afaka hanamaivana ny sasantsasany amin'ireo fanitsakitsahana ny fiainana manokana fantatra fa ratsy indrindra amin'izao fotoana izao, saingy, arakaraky ny fivoaran'ny teknôlôjiam-pitsikilovana sy iparitahany amin'ireo sehatra hafa, misy asa fanampiny ilaina atao mba hiarovana ny zo maha-olona. Ny tsy fisian'ny fepetra matanjaka dia mahatonga ny olompirenena ho tratry ny faharefoana, miainga avy amin'ny fitrandrahana ireo angondrakitra ka hatrany amin'ny faneriterena ny fanehoankevitra an-tambajotra. Raha mizotra mankany amin'ny sisintany nomerika i Botswana, ny fanamby atrehany dia ny fanolavolàna pôlitika manararaotra ny fahafaha-manao teknôlôjika nefa sady miaro hatrany ny zo maha-olona, amin'ny fahitàna ny fifandanjàna eo amin'ny fifandraisana sy ny fitandroana ny rafitra demaokratikan'ny fiarahamonina. Toy ny firenena hafa rehetra, i Botswana dia tokony hanaiky ny anjara toerana goavana tànan'ny gazety tsy miankina amin'ny fampiroboroboana ny mangaraharaha, fampiroboroboana ny fanolorantena sivily sy ny fiantohana ny fiadanan'ny olompireneny. Ny fiantohana ireo zo sy ny fiarovana ireo mpanao gazety dia dingana iray lehibe tsy maintsy atao mankany amin'ny fananganana fiarahamonina misokatra kokoa sy demaokratika kokoa izay iroboroboan'ny fifanakalozam-baovao malalaka.
https://mg.globalvoices.org/2023/10/29/166621/
Mozika senegaly: mari-pamantarana nasionaly izay miondrana amim-pahombiazana lehibe
2023-10-29T14:37:34
Unknown
Pikantsarin'ny fantsona YouTube an'ilay mpanakanto Didier Awadi Tena nanjakan'ny vozika vahiny tany am-piandohany, fa teo anelanelan'ny andian-taona 1980 sy 1990 dia vitan'ny mozika senegaly manaraka ny vanimpotoana ny naka ny toerany eo amin'ny sehatra nasiônaly tany am-piandohan'ny andian-taona 1970, talohan'ny nisidinany avo tamin'ny sehatra iraisampirenena. I Senegal dia firenena iray izay ny fivavahana no ivon'ny fiainany andavanandro. Amin'ny ankapobeny dia miozolmàna ( 97,2% ) ny ankamaroan'ny vahoakany, izay misy 17 tapitrisa mahery , fa kristianina ihany koa ( 2,7% ) ary animista ( 1% ). Fifangaroana foko ihany koa ilay firenena ary ahitàna indrindra ireo vahoaka Wolofs (51,8 %), Peuls (18,5 %), Sérères (11,5 %), Malinkés (9,8 %), Diolas (4,7 %), Soninkés (2 %). Araka izany dia masina ny mozika ao amin'ilay firenena, ary mazàna no hita any anatin'ireo hetsika ara-pivavahana. Mitàna anjara toerana lehibe ihany koa izy, na ara-pombandrazana, na maoderina. Ao anatin'ny vanimpotoana ankehitriny misy azy, nisedra fiantombohana nanahirana ny mozika senegaly, noho ny fanjakazakan'ireo mozika vahiny, indrindra fa ny gadona salsà kiobàna,  izay tena hita be nandritra ireo taona maro talohan'ny nahazoana fahaleovantena tamin'ny 1960. Nipoitra tao Afrika ny salsa tamin'ny alàlan'ny fifandraisana nisy tamin'ilay tanibe sy Kiobà , nandritra ny vanimpotoana fanandevozana. Marobe amin'ireo Afrikàna mpankafy mozika no mahatsiahy miaraka amin'ny fanembonana io vanimpotoana io, araka ny fijoroana vavolombelona anatin'ireo fanehoankevitra ao ambanin'ity lahatsarin-kira salsà ity, an'ilay mpankanto Balla N'diaye . Ny tarika Africando (manam-piaviana senegaly) no mitoetra ho toy ny mahazatra amin'io karazany io, ao anatin'ity hira Lindas Africanas: ity Eto dia hira iray an'ilay mpanakanto Laba Sosseh , hiraina amin'ny fiteny espaniôla, miaraka amin'ilay tarika Super Star de Dakar no manaporofo ny dindo kiobàna : Ny 4 Aprily 1960 , nahazo ny fahaleovantenany nanoloana an'i Frantsa ilay firenena, ary i Léopold Sédar Senghor no nandray ny fitondrana ny firenena, filoham-pirenena voalohany tamin'ny 1960 hatramin'ny 1980. Nitàna anjara toerana lehibe izy tamin'ny fanomezana lanja ny vakoky ny mozika senegaly, tamin'ny alàlan'ny fanehoany ny faniriany hisiana famoronana tarika iray mpiangaly mozika afaka hivoy ny sarin'ny kolontsaina senegaly, satria sady poeta ihany koa izy. Tonga ny  1970, teraka ny tarika voalohany mpilalao mozika : ny orkesitra Baobab , hita ao anatin'ity lahatsary ity: Mandray anjara amin'ny fampijoroana maripamantarana manokana ho an'ny mozika ao amin'ilay firenena ireo asa famoronana nataon'ilay tarika. Io hirika io dia manome tosika koa ny fitambaran'ireo tarika hafa mpilalao mozika, ka avy amin'izany no nipoitra ireo mpanakanto goavana, mpisava làlana sy masoivohon'ny kolontsain'ilay firenena. Ireo mozisiàna misoratra anatin'ny fombandrazana Ny mozika senegaly dia misitraka ihany koa fahamaroana ara-pitenenana mifamatotra amin'ny fisian'ireo vondrom-poko maro. Saingy ny Mbalax , gadona mozika avy amin'ireo wolof, mifototra amin'ny fifangaroana zavamaneno fikapoka toy ny tama sy ny sabar, izay samy manam-piaviana senegaly avokoa ; sy ireo zavamaneno hafa toy ny piano, ny bateria, ny gitara izay mozika malaza indrindra ao amin'ny firenena. Hazavain'ity lahatsary ity ny fomba fiasan'ny tama : Io gadona mozika io dia nahafahan'ny mozika nahita ny tena firoboroboany sy naka ny toerany. Io dia misy ifandraisany amin'ny fiantraikan'ny wolof , tenindreny ho an'ny 40% amin'ny vahoaka, ary manodidina ny 90% amin'ny mponina no mahazo azy. Araka izany, avy ao amin'io hetsika mozikaly io no nivoaka ireo anarana malazan'ny mozika senegaly. Ohatra tonga lafatra manokana amin'izany, i Youssou N'dour , antsoina ihany koa hoe “ Mpanjakan'ny  mbalax ” noho ny taona marobe niasany tamin'io sy ireo hirany an-jatony, araka ny asehon'ity lahatsary ity: Izy no heverina ho toy ny malaza indrindra amin'ireo senegaly mpanakanto . Tamin'ny Janoary 2023, ny gazetiboky amerikàna The Rolling Stone dia nametraka ilay “mpanjakan'ny  mbalax” ho isan'ireo mpihira efa ho 200 mahery goavana indrindra erantany hatrizay, fanomezana voninahitra ny asany tamin'ny mozika tena manankarena ary nahavitany rakikira efa ho roapolo azy manokana, sy ireo hira nahitany fahombiazana erantany. Teraka tamin'ny Oktôbra 1959, efa taloha be i Youssou N'dour no nanomboka niangaly mozika sy niaka-tsehatra, tamin'ny faha-13 taonany no voalohany indrindra. Anatina orkesitra sy tarika marobe mpilalao mozika izy, alohan'ny namoronany ny tarika azy manokana “Super étoile de Dakar”. Tamin'ny 1984 izy no namoaka ny rakikirany voalohany “The Lion”, izay tena nanosika marina tokoa ny laza erantanin'ilay mpanakanto. Misy anarana lehibe hafa ihany koa ao anatin'io karazana mozika io, toa an'i Baaba Maal na Ismaël Lô miaraka amin'ilay hirany hoe Tajabone : Toy izany ihany koa, tsara ny anamarihana an-dry Omar Pène , Thione Seck , Alioune Mbaye Nder , Lemzo Diamono , mpanakanto goavana mpilalao mozika izay tokony ho hita ao anatin'ny lisitr'ireo masoivohon'ny mozika senegaly. Saingy eo anilan'ireny olona ireny, misy ihany koa ireo mpanakanto goavana toa an'i Coumba Gawlo , Fatou Guewël , Aminata Fall: Indro ny lahatsarin'i Coumba Gawlo: Karazana mozika vaovao Ny mozika senegaly dia mitondra ihany koa aingampanahy ho an'ireo mpanakanto hafa izay manome azy fofonaina vao. Araka izany, Viviane Chidid dia latsaka eo anelanelana andian-taranaka artista roa: na ohatra aza ka hita ao anatin'ny rejisitrany tany am-piandohana ny mbalax, dia miangaly RnB, rap sy hip-hop ihany koa izy. Ny hirany farany mandeha irery no vavolombelon'ny talentany: Ireo mpanakanto andian-taranaka vaovao, izay mazàna no sady mitazona hatrany ny wolof,  dia mitondra dian-tànana maoderina amin'ny kanto ataon-dry zareo. Izany ohatra no nataon'i Wally Seck izay mihira fitiavana ao anatin'ilay hirany farany nomena lohateny hoe Balma ary nasiana endrika RnB nafangaro amina gadona sady tranainy no maoderina. Indro ny lohateny Balma: Tsy diso anjara ny Rap Mifàka tsara ao anatin'ny tontolon'ny mozika senegaly ankehitriny ny gadona rap. Didier Awadi no iray amin'ireo mpisava làlana. Ny taona maro naha-mpanakanto azy nitakiany ny fahaleovantenan'i Afrika , ny tolony anoherany ny kolikoly sy ny maro hafa no nahazoany fankatoavana iraisampirenena. Ny  lohateniny farany “ Quand on refuse on dit non ” (Tsia no ambara rehefa mandà) dia milaza zavatra betsaka amin'ny fanolorantenany: Tao anaty lahatsoratra iray an'ny Enquête + , hazavainy ny hery  manosika azy ao ambadik'io  hira nivoaka tamin'ny rakikirany farany io: Manolo-tena isika. Izany no antony naha-zava-dehibe ny fiverenana amin'ireo tena fototry ny rap; ‘ilay mpanolo-tena, tonga saina ary mpikatroka’. Na momba ireo olana saropady indrindra mifamatotra amin'ny fiandrianam-pirenena, ny fiarovana, ny vola, ny rano,  ny herinaratra, ny solika, ny entona, ary ny angondrakitra manokan'ny tena,, sns…, saika ny andraikitsika manontolo no nafindrantsika. Mila mazava isika: Tsia no ambara rehefa mandà! Anarana hafa ihany koa  no manetsiketsika io sehatry ny rap senegaly io : Daara J , Fou Malade , Nix. Araka izany, tohizan'ny Senegaly ny manao izay hahitàna sy handrenesana azy eo amin'ny sehatra erantany amin'ny alàlan'ny fanavaozana tsy tapaka ireo fombandrazana mozikaliny, lasitra iray mety hanainga fanahy ireo firenena afrikàna hafa mba hanomezana sary hafa an'ilay tanibe.
https://mg.globalvoices.org/2023/10/28/166631/
Fahafatesana mahatsiravin'i Mohbad : Ny rariny sy fanamelohana no takian'ireo Nizeriàna
2023-10-28T02:33:08
Unknown
Pikantsary ahitana an'i Mohbad , iilay Nizeriàna ‘rappeur’ sady mpihira, avy ao amin'ny lahatsary YouTube, « Ny fahafatesana MAHATSIRAVIN4'i Mohbad  & Lisitr'ireo mpanakanto hafa NIDIRAN-DOZA noho ny olana amina marika fandraketana », an'ny African Glitz TV . Fampiasàna nahazoana alàlana Nosoratan'i Oluwapelumi Adewole Taorian'ny fahafatesana niteraka resabe nahazo an'ilay Nizeriàna mozisiàna 27 taona, Ilerioluwa Oladimeji Aloba, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Mohbad , nisy onjana adihevitra sy fiampangàna niraraka tao amin'ireo tambajotra sôsialy, niteraka fanoherana goavana avy amin'ny vahoaka nizeriàna. Ireny fifanakalozan-kevitra ireny dia nandrehitra fangatahana tsy mitsahatra ny handraràna sy hisamborana ny tompon'ny Marlians Music, trano mpamokatra ny kapilan'i Mohbad. Namorona tenifototra maro ireo Nizeriàna no sady nikarakara hetsipanoherana an-dalambe hitakiana amin'ny pôlisy mba hanao fanadihadiana momba ny antony nahafaty an'i Mohbad. Tamin'ny 2019, ilay Nizeriàna ‘rappeur’ sady mpihira dia nanao sonia marika fandraketana mozika iray, an'ilay ‘rappeur’ miteraka resabe, Azeez Adeshina Fashola, antsoina hoe Naira Marley . Ny 25 Oktôbra 2022 ilay mpanakanton'ny gadona Afrobeats no nanambar a ny fialàny amin'ilay marika. Ny ekipa misahana ny lalàna miaraka aminy dia namoaka fanambaràna iray nanamafy fa ny fialàn'i Mohbad dia vokatr'ireo herisetra tsy tapaka voalaza fa nokarakarain'i Naira Marley, sy ireo tambiny tsy voaloa hatrany amin'ny 2019. Efa im-betsaka no voasambotra noho ny heloka maro i Naira Marley, isan'izany ny hosoka sy ny heloka bevava an-tserasera, ny halatra ary ny herisetra ara-nofo sy maro hafa koa , tao Nizerià sy tany amin'ny Fanjakana Mitambatra. Ny 14 Septambra no nohamafisina ny fahafatesan'i Mohbad, zara raha nisy herintaona taorian'ny fisintahany nateraky ny disadisa tamin'ilay trano mpamokatra ny mozikany. Talohan'ny nahafatesany, nandrakitra lahatsary iray niparitaka be i Mohbad, ka tao anatin'izany izy dia nitazona an'i Naira Marley ho tomponandraikitra amin'ny fahafatesana izay ninoany fa mananontanona azy. Si je meurs, c'est à cause de Marlian Music - Mohbad pic.twitter.com/Zu1fxn1F3J — Gowies (@Badgowies) 14 septembre 2023 Raha maty aho, dia noho ny Marlians Music - Mohbad pic.twitter.com/Zu1fxn1F3J — Gowies (@Badgowies) 14 Septambra 2023 Ny 27 Jona, nametrahan'i Mohbad fitarainana teny amin'ny pôlisy nizeriàna i Sam Larry (naman'i Naira Marley) noho ny herisetra nataony nandritra ny rakitsary iray ho an'ilay hirany vaovao mitondra lohateny hoe « Account balance ». Fotoana fohy taorian'ny nahafatesany, nanomboka niparitaka tety anaty aterineto ireo lahatsary sy saripika , milaza hoe mety misy ifandraisany amin'i Naira Marley, ilay ramatoa mpampiasa azy fahiny sy Alubarika Eletu Balogun, fantatra amin'ny anarana hoe Sam Larry, naman-dramatoa io ny fahalasànany. Nanoloana ny tsindry avy amin'ny vahoaka nizeriàna, ny governemantan'ny governorà ao amin'ny fanjakan'i Lagos, Babajide Sanwoolu , dia nanambara tao amin'ny X (Twitter fahiny) fa nanokatra fanadihadiana momba ilay raharaha ny governemanta. Je tiens à assurer tout le monde que je n'ignore pas la triste disparition d'Ilerioluwa Oladimeji Imole Aloba (Mohbad). Nous travaillons en étroite collaboration avec les autorités compétentes et suivons de près les enquêtes en cours. Cependant, afin de booster… pic.twitter.com/fZn8GIDr85 — Babajide Sanwo-Olu (@jidesanwoolu) 19 septembre 2023 Tiako ny manome toky ny rehetra fa tsy manao ho tsinontsinona ny fahafatesana mampalahelo nahazo an'i  Ilerioluwa Oladimeji Imole Aloba (Mohbad) aho. Miaraka miasa akaiky amin'ireo manampahefana tomponandraikitra izahay ary manaraka akaiky ny fanadihadiana atao amin'izao fotoana izao. Kanefa, mba handehanana haingana kokoa… pic.twitter.com/fZn8GIDr85 — Babajide Sanwo-Olu (@jidesanwoolu) 19 Septambra 2023 Tamin'ny alàlan'ny lahatsary nivantana tao amin'ny kaontiny Instagram, nantsoin'ilay vehivavy nizeriàna mpilalao sarimihetsika, Iyabo Ojo, ireo ray aman-dreny sy ny tanora, ary hatramin'ireo mpanakanto, nanainga azy ireo hanohana azy amin'ny famoriambahoaka iray ho fanoherana sy hisian'ny rariny sahaza ho an'ny maty ary fitsaràna iray ho an'ireo namono azy. « Ireo ray aman-dreny rehetra, lahy sy vavy, ireo tanora rehetra izay tena malahelo tokoa noho ny nahafatesan'i Mohbad, hisafidy andro iray isika. Handeha ho any amin'ny biraon-dry zareo isika satria isika mila ny rariny. Hetsika am-pilaminana io ary omen'ny lalàm-panorenantsika zo hanao hetsipanoherana isika», hoy ny nambarany. Na izany aza, nisy tanora nizeriàna sasany nidina tampoka an'arabe mba hanao hetsipanoherana hitakiana ny rariny ho an'i Mohbad. Naneho firaisankina ireo mpanao fihetsiketsehana, izay nisy an-jatony, nampiseho ireo sary sy afisin'i Mohbad no sady nihira mafy mba hisian'ny rariny. Ny hiakan-dry zareo nanaka-danitra dia nanakoako teny an-dàlana : « Mitaky ny rariny ho an'i Mohbad izahay ». Mihoatra ny 260 000 ireo olona efa nanao sonia sahady ny fanangonantsonia iray ikendrena ny handraràna ny Marlians Music. Nanomboka nanao fanadihadiana ny pôlisim-panjakana ao Lagos tamin'ny alàlan'ny fananganana tarika iray manokana ahitàna olona 13 nomena andraikitra hamantatra ny toejavatra nanodidina ny fahafatesana tampoka sy ny fandevenana an-kamehana an'i Mohbad . Tamin'ny 21 Septambra, Benjamin Hundeyin, mpitondratenin'ny pôlisim-panjakana ao Lagos dia nanambara fa nofongarina hanaovana fitsirihana ny fatin'i Mohbad. Efa vita ankehitiny ilay ‘autopsie’ , saingy tsy mbola navoaka ny valiny, izay mahatonga ireo Nizeriàna ho anaty fiahiahiana momba izay antony nahafaty an'i Mohbad. Mandritra izany fotoana izany, taorian'ireo fiampangana, voaràra tsy azo nalefa tamin'ireo onjampeo marobe ny hiran'i Naira Marley, mandra-pisian'ny filazàna mifanohitra.
https://mg.globalvoices.org/2023/10/23/166516/
Fanentanana efatra hanairana ny saina momba ny fahasalaman'ny saina, tarihan'olom-pirenena ao Afrika sy India
2023-10-23T02:59:13
Unknown
Aisha Bubah, Nizeriàna psikôlôgy, mihaino tsara ny mpanjifa iray nandritra ny fotoana fanoroana hevitra. Sary natolotr'i Aisha Bubah, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy. Avy amin'i Ebenezar Wikina Ny 10 Oktôbra, nankalazain'izao tontolo izao ny Andro Erantany ho an'ny Fahasalaman'ny Saina mba hanasongadinana ny mahazava-dehibe ny fiadanan-tsaina sy ny fiadanana amin'ny ankapobeny. Ny lohahevitry ny fankalazana ho an'ity taona ity , “Zon'olombelona iraisan'ny rehetra ny fahasalamana ara-tsaina,” dia ikendrena ny hanatsaràna ireo fahalalàna, ho fanentanana ary hanaovana hetsika mampiroborobo ny fahasalamana ara-tsaina ho an'ny tsirairay amin'ny maha-zo iraisan'ny olombelona rehetra azy. Araka ny tatitra 2021 avy amin'ny Fikambanana Erantany misahana ny Fahasalamana, ampahefatry ny olona no tratry ny fikorontanana ara-tsaina na any amin'ny atidoha mandritra ny vanimpotoana iray eo amin'ny fiainany. Asehon'ilay tatitra ihany koa fa manodidina ny 450 tapitrisa amin'izao fotoana izao ireo olona miaina zavatra tahaka izany, mahatonga ny fikorontanan-tsaina ho isan'ireo antony lehibe miteraka tsy fahasalamana sy tsy fahafahana miasa manerana ny tany. Nandritra iny taona lasa iny, nisy fanentanana nomerika efatra, notarihan'olon-tsotra, nahazo laka tao Nizerià, Kenya, India ary Afrika Atsimo, ho fikatsahana ny hanomezana fikarakaràna ara-pahasalamana ho an'ny olom-pirenena rehetra. Indro ny tantaran'ireo olon-tsotra mitarika azy ireny. Aisha Bubah: Fampidirana ny fahasalaman'ny saina ho ao anatin'ny rafitra fototra ara-pitsaboana ao Nizerià Aisha Bubah, 31 taona, psikôlôgy avy ao amin'ny faritra avaratr'i Nizerià, dia ohatra iray mamiratra amin'ny fiaretana. Na eo aza ny fiantraika mampahatahotra nateraky ny fikomiana mpampihorohoro Boko Haram tamin'ny fahasalamany ara-tsaina noho izy tsy maintsy nanatri-maso ny fiantraikan'ilay fikomiana tao amin'ny fanjakàna niaviany, dia nivoaka ho matanjaka izy ary nanorina ny Idimma Initiative mba hampaherezana sy hanabeazana ny vondrom-piarahamonina misy azy momba ny maha-zavadehibe ny filaminan-tsaina. Ny fanentanan'i Bubah dia miantso ny National Primary Healthcare Development Agency (NPHCDA) mba hanofana ireo mpiasan'ny fahasalamana mpandray an-tànana voalohany ho toy ny mpanolontsaina tsy matianina, hametraka birao misahana ny fahasalamana ara-tsaina any amin'ireo rehetra tobim-pahasalamana fototra (CSBs), ary hanamafy ny fahaizamanaon'ireo mpitsabo sy infirmiera any amin'ireo CSB mba hanome tolotra momba ny fahasalamana ara-tsaina. Miaraka amin'ny fisian'ireo CSB mihoatra ny 30.000 ao Nizerià, ny fangatahan'i Bubah dia miorina eo ambonin'ilay Lalàna momba ny Fahasalamana ara-tSaina nankatoavin'ilay filoha teo aloha Muhammadu Buhari tamin'ny Janoary 2023. Io lalàna io dia manome rafitra araka ny  lalàna mba ho fiarovana sy fampiroboroboana ny fahasalamana ara-tsaina ao Nizerià, isan'izany ny fanomezana tolotra momba ny fahasalaman'ny saina dieny eny amin'ny CSB. John Mwangi: Fiarovana ny zon'ny marary eny amin'ireo tobim-pahasalamana misahana ny ara-tsaina ao Kenya John Mwangi, 30 taona, mipetraka ao Nakuru , dia manampahaizana manokana momba ny fanarahamaso sy fanombànana ny fivoarana ara-tsôsialy, miasa miaraka amin'ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena sivily ao Kenya. Nahazo fikarakaràna tsy mendrika izy fony izy nampidirina ho toy ny marary tao amin'ny toeram-pitsaboana aretin-tsaina iray ao Kenya, ary io traikefa nahararay azy manokana io no aingam-panahy nanosika ny fanentanany mikendry ny hampitsaharana ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona any amin'ireo tobim-pitsaboana ny aretin-tsaina. “Natsipy tanaty toerana iray maizina aho, nokaravasiana, nomena fanafody fampatoriana, naboridana, novingavingaina ary nohidiana tanaty efitrano feno parasy,” hoy i Mwangi tamin'ny Global Voices tao anaty antsafa imailaka iray. Nampiany hoe: Raha toa ianao mihevitra fa ny fomba fikarakarana biby no tiako hambara, diso ianao. Izany no nikarakaràna ahy, izaho amin'ny maha-olombelona ahy, tao amin'ny sampan-draharaha misahana aretin-tsaina tao amin'ilay tobim-pahasalamana nampidirana ahy. Nahatsiaro tena ho tsy mendrika haja sy voninahitra aho. Nahatsikaiky fa ny toerana nalehako mba hikatsahana fikarakaràna sy fahasitranana no vao mainka nanampy trotraka ny takaitrako. Tamin'ny alàlan'ny fanangonantsonia iray,  nokatsahan'i Mwangi ny hisarika ny sain'ny kabinetran'ny ministeran'ny fahasalamana mba hiditra an-tsehatra sy hiantoka fampiofànana fanentanana momba ny zon'ireo marary ho an'ireo rehetra mpiasa amina tobim-pitsaboana saina. Molebogeng Tema: Fanombanana ara-tsaina any anatin'ny fandraisana ho pôlisy ao Afrika Atsimo Tema Molebogeng, 24 taona, dia miasa amin'izao fotoana izao ho toy ny mpiahy ary mpanampy ny mpitazona trano famakiamboka. Miady izy mba ho azo antoka ny hisian'ny famerenana mijery ny dingana fandraisana ho pôlisy ao amin'ny South African Police Service (SAPS) mba hanana antoka fa ireo pôlisy dia hanana ny toe-tsaina sahaza hitazona fitaovam-piadiana. Ny fanentanany dia miantso ny minisitry ny pôlisy mba hametraka ny fanombànana ara-tsaina ho isan'ireo dingana  fandraisana olona ho ao amin'ny SAPS. Tao anaty antsafa tamin'ny imailaka niarahana tamin'ny Global Voices, hoy i Molebogeng: Lehibe tao anatina vondrom-piarahamonina iray aho, izay ny ankamaroan'ireo ray aman-dreninay dia mpikambana tao anatin'ny SAPS avokoa, niainako mivantana ny fahatsapana ny fomba nahatonga ireo pôlisy ho ratsy fitondrantena noho ny hery omen'ny fitazonana fitaovam-piadiana ka sahy mandratra. Hatramin'ny nisian'ny Hetsika “Black Lives Matter” (misy vidiny ny ain'ny mainty), nahasarika ny sain'ny rehetra tany amina firenena afrikàna maro ny olan'ny “pôlisy mpamono”, isan'izany ny tao Nigeria sy Kenya . Ny fanentanan'i Molebogeng, raha tafita, dia tsy hoe fotsiny hanatsara ireo asan'ny pôlisy ao Afrika Atsimo, fa koa hanavotra aina marobe. Bhavana Srirangam: Rafitra fanohanana ny fahasalamana ara-tsaina ho an'ny vehivavy indiàna Bhavana Srirangam dia psikôlôgy sy mpiasa sôsialy, 24 taona, mipetraka ao Telangana , afovoany-atsimon'i India. Vao avy nivoaka tamina tokantrano niaretany fanararaotana nandritra ny 27 taona ny reniny. “Naveriko nalaina ny hajan'ny tenako,” hoy ny reniny tamin'ny Global Voices tao anaty antsafa iray. Efa ho telopolo taona, nila vonjy hatrany ny reniny, ary nitaky ny rariny tamin'ny fianakaviana sy ny rafi-pitsaràna, saingy nilazàna mandrakariva ny mba “hifanaraka amin'ny zavamisy, satria ny lehilahy no mitondra ny sakafo ho eo an-databatra.” Araka ny tatitra iray an'ny Times of India , ny fahaketrahana sy ny fanahiana eny amin'ireo vehivavy dia avo roa heny noho ny hita eny amin'ireo lehilahy, ary mahazo ny 25% amin'ny vehivavy. Ny roa ampahatelon'ireo vehivavy manambady no miaritra herisetra an-tokantrano, izay manamora kokoa ny fahatogavan-dry zareo amina fikorontanana ara-tsaina. Ny fanentanan'i Srirangam dia mitaky amin'ny Departemanta misahana ny Fivoaran'ny Vehivavy & Fiahiana ny Ankizy ao Telangana, mba hanangana rafitra fanohanana ny fahasalamana ara-tsaina ho an'ireo vehivavy, toa an-dreniny, izay nanana fahasahiana niala tamin'ny herisetra an-tokantrano. Mino i Srirangam fa mitàna anjara toerana lehibe amin'ny fanorenana indray ny fijoroan'ireo vehivavy ny fanohanan azy ara-tsaina. Na voazarazara ara-jeografia aza, Aisha Bubah, John Mwangi, Tema Molebogeng, ary i Bhavana Srirangam dia ampifamatorin'ny herin'izy ireo sy ny fanolorantenan-dry zareo amin'ny maha-mpitarika fanovàna azy ao anivon'ny Nguvu Collective . Ny Nguvu Collective (“Hery Iraisana” amin'ny fiteny Swahili) dia miasa miaraka amin'ireo mpitarika vaovao avy amin'ireo vondrom-piarahamonina natao anjorom-bàla mba hahatonga azy ireny hatanjaka ho azy ireo manokana sy eo anivon'ny sehatra sôsialy, mba hahafahahan'izy ireny mitondra fiovàna miabo sy goavana eny anaty fiarahamonina.
https://mg.globalvoices.org/2023/10/22/166364/
Polisy Nizeriana voaheloka ho faty noho ny fitifirana mpisolovava bevohoka tamin'ny andro Krismasy ​
2023-10-22T11:19:38
Unknown
Pikantsarin'i Omobolanle Raheem avy amin'ny lahatsary YouTube, ‘ | #iller Cop, Milaza tena ho tsy meloka amin'ny fiampangana tokana namono an'i Bolanle Raheem ny ASP Drambi Vandi ‘ navoaka tamin'ny 16 janoary 2023 avy amin'ny TVC News Nigeria . Nomelohin'ny fitsarana ambony ao Lagos, Nizeria, ho faty ny polisy Drambi Vandi noho ny fitifirana nahafaty ny mpisolovava bevohoka iray, Omobolanle Raheem, tamin'ny andron'ny Krismasy. Tamin'ny 25 Desambra 2022, nanome baiko ny polisy avy ao amin'ny tobim-polisy Ajiwe ao Ajah , Lagos mba hijanona ny fiara mitondra an'i Raheem sy ny fianakaviany rehefa niverina avy namonjy Krismasy. Ny iray tamin'ireo manamboninahitra voatondro ho Drambi Vandi, lefitry ny lehiben'ny polisy, no nitifitra ny fiara ary nahafaty ilay mpisolovava. Nitsoaka avy hatrany ireo mpitandro filaminana taorian’ny tifitra variraraka. Niteraka hatezerana amin'ny herisetran'ny polisy tao Nizeria ny famonoana an'i Raheem. Iray amin'ireo trangan-kerisetran'ny polisy vao haingana izay voarakitra ao Lagos sy any amin'ny faritra hafa any Nizeria ny tifitra nahafaty azy. Telo herinandro monja talohan'ny namonoana an'i Raheem, maty notifirin ‘ny polisy avy ao amin'ny toby iray ao Lagos i Gafaru Buraimoh, 31 taona. Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny The Cable fa Nizeriana 91 teo ho eo no novonoin’ny polisy tamin’ny herintaona. Nomelohan'ny Amnesty International ny famonoana an'i Raheem tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny X (Twitter taloha): Amnesty International strongly condemns the killing of Mrs. Omobolanle Raheem by a police officer on Christmas day at Ajiwe Ajah #Lagos . It is horrifying that police officers who are meant to protect lives take it with impunity. #EndSARS #Nigeria pic.twitter.com/ZgzH39lDc4 — Amnesty International Nigeria (@AmnestyNigeria) December 26, 2022 Manameloka mafy ny famonoan'ny polisy manamboninahitra iray an-dRamatoa Omobolanle Raheem tamin'ny andro Krismasy tao Ajiwe Ajah #Lagos ny Amnesty International. Mampihoron-koditra ny mahita ireo mpitandro filaminana natao hiaro ny ain’ny olona lasa ho tsimatimanota. Tamin'ny 29 Desambra 2022, nitaky ny rariny ho an'i Raheem ny fiaraha-mientan'ny fikambanam-behivavy miisa 223 eo ambany fiahian'ny Womanifesto. Nametraka ny olana tamin'ny fanambaràna iray mitondra ny lohateny hoe, ‘Ny rariny ho an'i Omobolanle Raheem novonoin'ny ASP Drambi Vandi!’ ny mpampivory ao amin'ny Womanifesto sy ny Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Foibem-pikarohana sy Fandraketana momba ny Vehivavy Mpisolovava , Dr. Abiola Akiyode-Afolabi “Mitaky ny hitsarana haingana an'i Drambi Vandi izahay amin'ny alàlan'ny Lalàna momba ny heloka bevava ao amin'ny fanjakana Lagos 2015 sy ireo lalàna hafa azo ampiharina. Mendrika hahazo rariny sy fanonerana noho ny fahavoazana sy ny ratra nahazo azy ireo ny fianakaviana sy ny naman'ny Omobolanle Raheem nodimandry,” hoy ry zareo. Nisaona ny fahafatesan'ilay mpisolovava sy naneho ny tsy fahafaliany tao amin'ny X (Twitter taloha) ihany koa ireo Nizeriana tao amin'ny media sosialy sy ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, ary maro no niantso ny polisy handray fepetra amin'ireo manamboninahitra ao amin'ny tobin'ny polisy Ajiwe. Festus Ogun, mpisolovavan'ny zon'olombelona, nanoritsoritra ny zava-nitranga ho mpitranga rehefa mitaky ny rariny ho an'ny niharam-boina. Tao amin'ny lahatsoratra X, nilaza izy hoe: This unfortunate incident is not unprecedented. The police have shown consistent contempt and hatred to lawyers, over the years. The legal profession must rise in unison to avert this perilous precedent. There must be consequences for impunity. — FESTUS OGUN (@mrfestusogun) December 26, 2022 Tsy vao sambany ity tranga mampalahelo ity. Nampiseho fanamavoana sy fankahalana tsy tapaka tamin'ireo mpisolovava ny polisy, nandritra ny taona maro. Tsy maintsy mijoro mivondrona ny asa ara-pitsarana mba hialana amin’ity trangan-javatra mampidi-doza ity. Tsy maintsy misy vokany ny tsimatimanota. Nanatevin-daharana ny fanenjehana ilay polisy manamboninahitra ireo mpisolovava Nizeriana avy ao amin'ny sahan'ny Fanjakan'i Lagos ao amin'ny Fikambanan'ny Mpisolovava Nizeriana (NBA), notarihin'ny filohan'ny NBA Yakubu Chonoko Maikyau , ho ampahany amin'ny ezaka ataon'izy ireo mba hahazoana rariny haingana sy mahomby ho an'ny fianakavian'ny maty. Nitady fandoavana onitra tsy latsaky ny 5 lavitrisa naira (12.000 dolara eo ho eo) fanampiny ny NBA. Tamin'ny 30 Desambra 2022, nametraka fitoriana an'i Vandi momba ny famonoana an'i Raheem ny Lehiben'ny Fampanoavana ao amin'ny fanjakan'i Lagos, Moyosore Onigbanjo . Neken’ny mpitsara ny fangatahana hanagadrana ilay voampanga eny amin’ny Fonja Ikoyi hatramin’ny 30 janoary 2023. Nomelohin’ny fitsarana ho namono olona i Vandi ary nodidiana ho faty tamin’ny fanantonana azy tamin’ny 9 Oktobra 2023, taorian’ny nijoroan’ny vadin’ilay maty, ny anabaviny, ny mpitandro filaminana, ny mpitsabo aretin-tsaina, ary ny fito hafa niampanga azy.
https://mg.globalvoices.org/2023/10/15/166276/
Fandinihana ny olan'ny fiovaovan'ny toetrandro sy tsy fahampian-drano ao Tanzania, ary fikarohana vahaolana mahomby
2023-10-15T05:40:58
Unknown
Vehivavy Tanzaniana manovo rano avy ao am-pantsakana. Sary an'i Calvin Kulaya avy tamin'ny Wikimedia Commons ( CC BY-SA 4.0 ) Avy tamin'i Sylvester Mathias Miatrika fanamby lehibe amin'ny tsy fahampian-drano i Tanzania , firenena iray ao Afrika Atsinanana. Mifandray akaiky amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ity olana ity, izay manova ny fepetra ara-toetrandro ary mampitombo ny efa fahakelezan'ny loharanon-drano rahateo. Nitarika voka-dratsy isan-karazany ny fiovaovan'ny toetrandro, ary iray amin'ireo lehibe indrindra ny fiantraikany amin'ny loharano. Any Tanzania, ny fiovana ara-toetrandro sy ny rotsak'orana tsy ampoizina no nitarika ny fitomboan'ny tsy fahampian-drano be . Lasa tsy azo ianteherana ireo loharano nahazatra, tahaka ny renirano, ny farihy ary ireo rano ambanin'ny tany, noho ny fiovaovan'ny rotsak'orana. Ny haintany mitohy sy ny rotsak'orana tsy araka ny tokony ho izy no nitarika ny fihenan'ny haavon'ny rano, niantraika tamin'ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra sy an-tanàndehibe. Ato anatin'ity lahatsoratra ity, ho halalinintsika ny olana maika mikasika ny tsy fahampian-drano any Tanzania, ho jerentsika ny vokany eo amin'ny firenena ary ho dinihantsika ireo fanamby isan-karazany aterak'izany. Fanampin'izay, hohazavaintsika ireo vahaolana sy ny finiavana mahabe  fanantenana ary ireo  fandraisana andraikitra napetraka hamahàna ity olana ity. Ireo fanamby sy loza ateraky ny tsy fahampian-drano Mametraka fanamby sy ambana marobe ho an'ireo vondrom-piarahamonina Tanzaniana ny tsy fahampian-drano. Nyakahura, ao amin'ny Faritra Kagera , tanàna iray misy mponina 52 000 eo ho eo, no miatrika ny voka-dratsin'ny tsy fahampian-drano. Ambony lavitra noho ny fidiram-bolan'ny Tanzaniana antonony iray ny vidin'ny rano any amin'ity faritra ity. Ohatra, ny rano iray siny 20 litatra (5 galona) dia 500 TZS (manodidina ny 0,20 USD). Sikiliza Bro, mimi siwezi kukesha kisimani halafu nije nikuuzie maji lita 60 kwa sh 1000.Ni bora ningebaki nyumbani nikalala na mke wangu.We fikiria nilipeleka dumu20. lakini nimebahatika kuchota Dumu 5 tu! Henoy ry rahalahy, tsy vitako ny hiari-tory mandrak'alina eo am-pantsakana ary hivarotra rano 60 litatra aminao amin'ny vidiny 1 000 shillings avy eo. Tokony hatory miaraka amin'ny vadiko aho. Alaivo sary an-tsaina fotsiny ! Tokony hitondra daba 20 aho, nefa tsara vintana aho raha mahavita mitondra 5 fotsiny ! Ilay tanisa etsy ambony dia valintenin'ny mpivaro-drano iray fantatra amin'ny anarana hoe “Mnyokuru,” rehefa niteny taminy aho mba hivarotra rano 60 litatra amiko (16 galona) amin'ny vidiny 1 000 TZS (0,40 USD). Miankina tanteraka amin'ny fisian'ny rano ny fambolena izay mitana anjara toerana lehibe amin'ny toekarem-pirenena. Arakaraka ny tsy fahampian'ny rano no mampihena ny vokatry ny fambolena ka mitarika amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahasahiranana ara-toekarena ho an'ireo tantsaha. Ankoatra izay, misy voka-dratsy eo amin'ny fahasalamam-bahoaka ny tsy fahampian-drano satria ny fahazoana rano fisotro voafetra dia mampitombo ny ambana hahazoana aretina avy amin'ny rano , tahaka ny kôlerà sy ny tifôida. Fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena Misy fiantraikany lalina ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fahasahiranana mahazo ireo loharano izay mihoatra lavitra ny fanamby mibaribary mifandraika amin'ny rano. Amin'ireo trangan-javatra marobe, ny vehivavy sy ny ankizy no mizaka ny zioga mavesatra indrindra amin'ny fanangonan-drano avy any am-pantsakana lavitra, ka manokana ora betsaka isanandro amin'io asa tena ilaina nefa mandany fotoana be io . Vokatr'izay, mihena ny fahafahan'izy ireo hahazo fanabeazana sy fampandrosoana ny tenany manokana, ka mahavoafatotra azy ireo anaty kiboriborim-pahantrana. Ankoatr'izay, matetika lasa ambanin-javatra ny fikatsahana fidiram-bola raha oharina amin'ny fanatontosàna io filàna fototra io. Any amin'ireo faritra an-tanàndehibe, mirongatra ny tsy fahampian-drano ary mety hitondra hatramin'ny fikorontanana ara-tsosialy. Mifanandrina anaty tolona hahazoana ireo loharanon-drano voafetra azo alaina ny fiarahamonina. Mety hampitombo ny fihenjanana efa misy ity fifaninanana ity ary hanohintohina ny filaminana ara-tsosialy, mampiseho mazava fa tsy fepetra ara-tontolo iainana tsy maintsy atao fotsiny ny famahàna ny tsy fahampian-drano, fa ihany koa lafiny manan-danja lehibe hiantohana ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena tsy mitanila. Hetsika sy politika hiadiana amin'ny tsy fahampian-drano Noho ny fahafantarany ny maha maika ny olana ateraky ny tsy fahampian-drano, i Tanzania dia nametraka asa sy politika isan-karazany hiatrehana io fanamby io. Manantitrantitra ny fitantanana ny loharanon-drano ifandrimbonana ny Politikam-panjakana mikasika ny rano tamin'ny taona 2002 , amin'ny fampiroboroboana ireo fomba fanao ho fampandrosoana maharitra hisian'ny fampiasana tsara ny rano. Nampiasa vola ihany koa ny governemanta tamin'ireo  tetikasa fotodrafitrasa, tahaka ny tohodrano sy ny ozinina fanadiovana rano mba hanatsarana ny fahazoana rano madio. Mikendry ny hanatsarana ny fahazoana rano ireny hetsika ireny, mba hampitombo ny habetsaky ny fahafahanaa manangona rano sy hanatsarana ny kalitaon'ny rano manerana ny firenena. Namolavola vahaolana sy fanavaozana ho azy ireo manokana ihany koa ireo vondrom-piarahamonina ao Tanzania mba hitantanana ny rano amin'ny fomba maharitra. Ireo fomba fanangonana ranon'orana , ohatra, dia napetraka any ambanivohitra sy any an-tanàndehibe mba hisintonana sy hitehirizana ranon'orana ho an'ny fampiasana samihafa. Fanampin'izany, nofanina ireo komity mpitantana ny rano ao amin'ny fiarahamonina mba hiantohana ny fizarana ara-drariny sy ny fampiasana maharitra ny loharanon-drano. Manome hery ho an'ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana hizaka ny fitantanana rano sy hampiroborobo ny fomba fanao maharitra ireo hetsika eny ifotony ireo. Ny anjara toeran'ny fiarahamiasa iraisam-pirenena Mitaky fiarahamiasa eo anivon'izao tontolo izao ny ady amin'ny tsy fahampian-drano any Tanzania. Ireo fikambanana iraisam-pirenena, toy ny Firenena Mikambana dia niara-niasa tamin'i Tanzania mba hanome fahaizamanao ara-teknika, fanohanana ara-bola, ary hetsika fananganana fahaizamanao. Tanjon'ireo fiarahamiasa ireo ny hanatsarana ny fomba fitantanana ny loharanon-drano, amin'ny fanohanana ny stratejia fampifanarahana ny fiovan'ny toetrandro sy amin'ny fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio sy fidiovana any amin'ireo faritra lavitra. Amin'ny ho avy dia tena ilaina ny famolavolan'i Tanzania stratejia fampifanarahana mba  hampahalefaka ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro sy ho fiantohana ny hisian'ny loharanon-drano ho an'ireo taranaka ho avy. Ny fampiasambola amin'ireo fotodrafitr'asa mahatohitra ny fiovaovan'ny toetrandro, ny fampiroboroboana ny teknolojia mitsitsy rano ary ny fampidirana ireo fiheverana mifandraika amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ho anatin'ny fandrindrana loharanon-karena dia dingana lehibe. Fanampin'izay, ny fanentanana sy ny fanabeazana ny mponina amin'ny fitehirizana ny rano sy ireo fomba fanao maharitra dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny famahana io olana io. Ny olana maika mikasika ny tsy fahampian-drano, izay vao maika hamafisin'ny fiovaovan'ny toetrandro, dia mipetraka ho sakana lehibe iray amin'ny fampandrosoan'i Tanzania, ny fahamarinan-toeran'ny toekarena ary ny fiadanan'ny vahoaka. Na izany aza, misy tara-panantenana mipoitra amin'ny alalan'ny fomba fiasa maro karazana izay mampiaraka ny hetsika tarihan'ny governemanta, ny vahaolana entin'ny vondrom-piaraharamonina ifotony sy ny fiarahamiasa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fanalahidy dia ao amin'ny fametrahana fomba fitantanana maharitra ny rano, izay zava-dehibe tokoa ny fitsinjarana sy ny fitehirizana am-pitandremana ity harena sarobidy ity. Miara-dàlana amin'izay ihany koa, ny fampiroboroboana ireo vahaolana vaovao miampiasa teknolojia sy ireo fahalalana eo an-toerana dia mety hanamaivana ny enta-mavesatra mifamatotra amin'ny rano. Ny fampiasàna ny stratejia fampifanarahana, toy ny karazana voly mahatohitra ny haintany sy ny teknika mahomby ho fitarihana rano, dia mety hiantoka ny fahatantesan'ny sehatry ny fambolena ao Tanzania, izay tena ilaina ho an'ny fiarovana ara-tsakafo sy ny fitomboan'ny toekarena. Na izany aza, eo anatrehan'ireo zava-tsarotra rehetra ireo, Tanzania dia manana fahafahana hiaro ny loharanon-dranony, amin'ny alàlan'ny fanokafana ihany koa ny làlana ho amin'ny hoavy mahazaka (mahavita miaritra) kokoa, miroborobo kokoa sy maharitra kokoa ho an'ny olom-pireneny. Amin'ny alalan'ny fitrandrahana ny herin'ny fiarahamiasa, ny fanavaozana sy ny fanaovana drafitra stratejika, afaka miatrika ny fotoan-tsarotra ateraky ny tsy fahampian-drano ilay firenena ary mivoaka matanjaka kokoa avy amin'izany.
https://mg.globalvoices.org/2023/10/18/166330/
Kandidà maro no mifaninana amin'i Andry Rajoelina ho lasa filohan'ny Malagasy
2023-10-18T03:50:04
Unknown
Ireo kandidà miisa 11 avy amin'ny fiaraha-mientana, pikantsary avy amin'ny fantsona Tv5monde Info Filoha teo aloha sy mpanao politika vaovao no mirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 9 16 novambra 2023 eto Madagasikara. 13 no fitambaran'ny kandidà neken'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) hirotsaka hofidiana eo amin'ny fahefana fara-tampony. Amin’ireo mponina tombanana ho 30 tapitrisa , mpifidy maherin’ny 11 tapitrisa no handeha hifidy izay filoha vaovao hitondra ny firenena mandritra ny dimy taona . Tanterahana amin'ny alalan'ny latsabato andraisan'ny rehetra anjara ny zotram-pifidianana. Ao anatin'ny hazakazaka fanindroany ho filohan’ny firenena i Andry Rajoelina , filoha am-perinasa sady lehiben’ny antoko Tanora malaGasy Vonona (TGV) . Na izany aza, mampiadi-hevitra ny firotsahany hofidiana noho izy mizaka zom-pirenena Frantsay. Miatrika fanoherana avy amin'ireo mpanohitra ahitana filoha teo aloha, sy kandidà vaovao i Andry Rajoelina, niasa tao amin'ny lapan'i Iavoloha , toeram-piasana miorina ao atsimon’ Antananarivo renivohitry ny firenena. Tsy ahitana vehivavy ny lisistry ny kandidà amin'ity fifidianana filoham-pirenena ity. Kandidà filoham-pirenena roa teo aloha: nofinofy hiverina eo amin’ny fitondrana Ahitana filoha teo aloha roa, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina amin’ireo kandidà 13 mirotsaka hofidiana. Marc Ravalomanana, filohan'ny antoko politika Tiako I Madagasikara no filoha teo anelanelan'ny taona 2002 sy 2009. Taorian'ny fe-potoam-piasana voalohany, voafidy indray izy tamin'ny 3 Desambra 2006 saingy tsy nahavita ny fe-potoam-piasana faharoa, taorian'ny revolisionam-bahoaka notarihin'i Andry Rajoelina . Voatery nametra-pialana izy tamin'ny taona 2009. Nirotsaka hofidiana indray izy tamin’ny taona 2018 tamin'ny fifidianana filoham-pirenena saingy resin'ny olona nanongana azy teo amin’ny fitondrana. Teo anelanelan’ny taona 2014 sy 2018, nitana ny toeran’ny filoha malagasy i Hery Rajaonarimampianina, filohan’ny antoko politika Hery Vaovao Hoan'i Madagasikara . Nandritra ny fotoana nitondrany, matetika voatsikera sy notsarain’ny vahoaka ho tsy mahafehy ny fitantanam-panjakana i Hery. Niharan'ny fanoherana maro sy fikasana  maro hanongana azy izy. Na dia teo aza izany, nijanona ho lehiben’ny firenena hatramin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2018, izay nifaninanany izy saingy nihintsana tamin’ny fihodinana voalohany. Talohan’ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fametrahana antontan-taratasy amin’ny fifidianana filoham-pirenena taona 2023, efa nanomboka fifampidinihana tamin’ny volana desambra 2022 ireo filoha teo aloha roa ireo mba hivondrona hanohitra an’i Andry Rajoelina. Nilaza izany tao amin'ny kaontiny X (ex-twitter) ny media Africa Intelligence : 📣 #Madagascar | Les deux anciens chefs d'Etat Marc Ravalomanana et Hery Rajaonarimampianina ont entamé depuis juillet des négociations en vue d'une alliance pour l'élection de 2023 contre le président actuel @SE_Rajoelina . https://t.co/AqXtlsRrj3 — Africa Intelligence (@Africa_In_FR) December 13, 2022 📣 #Madagascar | Nanomboka fifampidinihana hatramin'ny volana jolay ireo filoham-panjakana teo aloha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina mba hisian’ny firaisankina amin’ny fifidianana taona 2023 ho fanoherana ny filoha ankehitriny @SE_Rajoelina . Ny tena fanontaniana dia ny hoe afaka manamafy ny fifandraisan’ireo filoha roa ireo amin’ireo kandidà sivy hafa ho amin'ny vondrona mpanohitra an-dRajoelina ve ny resabe manodidina ny zom-pirenen’ny filoha am-perinasa? Fitambaran’ireo kandidà rehetra mihetsika hanohitra an’i Andry Rajoelina ny vondrona firaisankinan'ny kandidà 11 , afa-tsy kandidà iray, izay manana tanjona mitovy: ny hanakanana an-dRajoelina tsy hirotsaka hofidiana. Kandidà maro, tsy dia fantatra ny sasany Ankoatra ireo filoham-pirenena teo aloha, mipoitra ihany koa ireo anarana lehibe eo amin’ny politika malagasy. Ao anatin'izany i Hajo Andrianainarivelo avy amin’ny antoko Malagasy Miara Miainga. Kandidà ratsy vintana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena taona 2013, tena akaiky an-dRajoelina i Hajo: imbetsaka izy no ministra teo ambany fitantanan'i Rajoelina, nandritra ny tetezamita (2009-2013) sy nandritra ny fe-potoam-piasana 2018-2023. Nisaraka tamin’ny ankolafy Rajoelina anefa izy ary nanambara ny firotsahany hofidiana amin’ny fifidianana 2023. Akaiky an’i Andry Rajoelina ihany koa i Roland Ratsiraka , filohan’ny antoko politika Malagasy Tonga Saina. Ben'ny tanàna teo aloha, solombavambahoaka ary minisitra tamin'ny fitantanan'i Rajoelina. Tsy nahomby tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2006, 2013 ary 2018 i Roland teo aloha. Zana-drahalahin'i Didier Ratsiraka (efa maty) , filoham-pirenena teo aloha (1975-1993 et 1997-2002) izy. Kandidà ihany koa ilay mpanao fanatanjahantena teo aloha, tompondakan’i Madagasikara imbetsaka ary filohan’ny Vondrona Afrikanina amin'ny taranja judo , Siteny Thierry Randrianasoloniaiko izay akaikin'i Hery Rajaonarimampianina tamin'izy solombavambahoaka ny taona 2013 niaraka tamin’ny antoko HVM. Nanova ny loko politikany izy tamin’ny taona 2018 ary niditra tamin'ny vondrona Isika Rehetra miaraka tamin’i Andry Rajoelina izay naha lasa solombavambahoaka azy. Kandidà amin’ity fifidianana ity eo ambany fanevan’ny Antoko Parti-social démocrate malgache izy. Akaiky an'i Vladimir Potinina ihany koa i Siteny. Nirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena eo ambany lokon’ny antoko Antoko Politika Madio koa i Jean Brunelle Razafintsiandroafa, solombavambahoakan’ Ikongo , kaominina any andrefan’ny firenena, sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena. Auguste Paraina ,  lehiben’ny antoko politika Tsara Tahafina izay natsangany vao haingana, no zokiolona amin’ny politika malagasy. Solombavambahoaka efa hatry ny ela izy ary koa minisitra teo ambany fitarihan’ny filoha teo aloha toa an’i Albert Zafy (1993-1996) sy Didier Ratsiraka (1997-2002), ary masoivohon’i Madagasikara tany Sénégaly vao haingana. Mpiara-dia taloha, talen'ny fampielezan-kevitr'i Marc Ravalomanana teo, nisaraka taminy i Tahina Razafinjoelina ary nirotsaka hofidiana amin’ny anaran'ny antoko politikany Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT). Miezaka ihany koa ireo vao tonga eo amin’ny sehatra politika malagasy. Tsy dia malaza loatra izy ireo kanefa afaka mitana anjara toerana lehibe amin’ny fihodinana faharoa. Jean-Jacques Jedidia Ratsietison no kandidà miaraka amin’ny antoko politika Fahefa Mividy no Ilain’ny Malagasy (FMI-Ma); Lalaina Harilanto Ratsirahonana, zanak’i Norbert Lala Ratsirahonana , filoha vonjimaika teo aloha (1996-1997) no kandidà eo ambany fanevan’ny antoko politika An’i Kristy Fiahavanantsika. Anisan’ny vaovao eo amin’ny sehatra politika malagasy amin’izao fifidianana filoham-pirenena izao koa i Andry Tsiverizo Raobelina Andriamalala, mpitarika ny antoko Anjomara Sy Rivo-Baovao (ARB). Niditra tamin’ny politika ihany koa ilay mpandraharaha sady mpitarika ny antoko politika Fandrosoa faritsy iaby ho an’i Madagasikara (Fy-M), Sendrison Daniela Raderanirina. Izy irery no kandidà amin’ny fifidianana izay tsy tafiditra ao anatin’ny vondrona firaisankinan'ny kandidà 11 manohitra an’i Andry Rajoelina. Na dia toa mitovy aza ny fomba fijerin'ny ankamaroan’ny kandidà: ny fanakanana an’i Andry Rajoelina tsy hilatsaka hofidiana fanindroany, dia mety ho mafy ny ady eo amin’ireo mpanao politika samihafa ireo. Manampy trotraka izany ny fihetsiketsehana voaràra izay toa hampiseho herinandro henjana mialoha ny fe-potoana 16 9 Novambra.
https://mg.globalvoices.org/2023/10/14/166327/
Voasakantsakana ny fihetsiketsehana manohitra ny filatsahan-kofidian'ny Filoha Andry Rajoelina eto Madagasikara
2023-10-14T04:56:10
Unknown
Mpitandro ny filaminana eo anoloan'ny tonelina Ambohidahy ao Analakely ao Antananarivo, manakana ny lalana miditra ao amin'ny Kianjan'ny13 May. Saripika: Actu-orange . Nahazoana alalana. Manomboka miseho ny krizy mialoha fifidianana eto Madagasikara raha voaràra ny fihetsiketsehan'ny fanoherana. Maneho ny tsy fahafaham-pony ireo k andidà maro mpifaninana amin'n y fifidianana filoham-pirenena atao amin'ny fiandohan'ny volana novambra. Mangataka ny tsy fanekena ny filatsahan'ny kandidà Andry Rajoelina izy ireo. Nanamarika ny fiandohan'ny herinandron'ny 2 Oktobra 2023 tao afovoan-tanànan’ Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara ny gidragidra. Nosakanan'ny mpitandro ny filaminana ireo fihetsiketsehana manohitra ny firotsahan'ny kandidà Andry Rajoelina hofidiana. Amin'ireo kandidà 13, nanangana ny firaisan'ny kandidà ny 11 izay mandà ny firotsahan'i Rajoelina hofidiana. Mitaky ny hanaovana famoriam-bahoaka ireo kandidà ireo saingy tsy navela mihitsy noho ny antony fanohintohinana ny filaminam-bahoaka , araka ny nolazain'ny governemanta tetezamita. Ny zoma 29 septambra, nolavina tamin'ny firaisan'ny kandidà 11 ny hanao fihetsiketsehana ao amin'ny lapan'ny fanatanjahantena ao Mahamasina (toerana 7092), toerana famoriam-bahoaka mahazatra ao an-drenivohitra.  Tao anatin'izany fotoana izany, namoaka fe-potoana farany amin'ny fanasoniavana fifanarahana ara-politika ireo kandidà. Nampahanfantatra ny fitakiany sy ny fepetra hiantohana ny fifidianana mangarahara sy eken'ny rehetra ry zareo 11. Teo amin'ny mikrôan'ny Radio France Internationale , nanambara ny kandidà Andry Raobelina hoe: Nous n’acceptons pas la candidature à l’élection présidentielle malgache d’une personne qui n’a pas la citoyenneté malgache ! Nous demandons la dissolution de la Commission électorale nationale indépendante (CENI) dans sa composition actuelle. Nous réclamons une Cour électorale spéciale, car nous n’acceptons pas le gouvernement actuel pour diriger le pays en cette période électorale(…). Tsy ekenay ny firotsahan-kofidiana fifidianana filoham-pirenena malagasy ho an'ny olona tsy mizaka zom-pirenena malagasy! Mangataka ny fanafoanana ny Vaomiera tsy miankina misahana ny fifidianana izahay (CENI). Mangataka ny hisian'ny fitsarana manokana momba ny fifidianana izahay, satria tsy ekenay ny governemanta ankehitriny hitarika ny firenena mandritra ity fotoam-pifidianana ity (…). Tsy afa-po tamin'ny fitakian'izy ireo, nanapa-kevitra ny hidina ao amin'ny kianjan'ny 13 May, toerana manan -tantara amin'ny fihetsiketsehana ara-politika eto Madagasikara izy ireo nanomboka tamin'ny 2 Oktobra 2023. Ny androtr'iny, napetraka ireo mpitandro ny filaminana mba hanakanana azy ireo amin'ny alalan'ny tifitra etona mandatsa-dranomaso. Araka ny asehon'ny horonantsary TV5MONDE: Manana lanjany lehibe eo amin'ny tantaran'ny firenena ny kianjan'ny 13 mey, antsoina koa hoe kianjan'ny demokrasia koa. Toerana stratejika ho an-dRajoelina izany mba hanamaroana ny fivoriana nandritra ny revolisionany tamin’ny taona 2009. Momba ity toerana ity, manazava amin'ny Jeune Afrique i Denis Alexandre Lahiniriko, mpampianatra tantara politika ao amin'ny Oniversiten'Antananarivo, : S’ils arrivent à occuper cette place située au cœur de Tana, même de moitié, tout pourrait basculer. Raha mahavita mibodo an'io toerana ao afovoan'Iarivo io ry zareo, na dia amin'ny antsasany aza, dia mety hiodina ny kodiaran-tsarety. Mifampihantsy ny fitondrana sy ny fanoherana Ampangain ‘ireo mpisera aterineto ao amin'ny ankolafy mpanohitra ny fihetsiky ny polisy izay mandrahona ireo mpanao fihetsiketsehana ary manakana amin'ny fomba feno habibiana ny fivorian'ny mpanohitra. Etsy andanin’izay dia mivory an-kalalahana ny mpomba an-dRajoelina. Araka ny asehon'ity tatitra avy any Frantsa 24 ity. Samy manana ny alehany ny fanehoan-kevitra amin'ilay ranty. Misy ny manohana ny fihetsiketsehana, ny hafa tonga hatramin’ny fanontaniana ny amin’ny tsy fiandanian’i Gaelle Borgia , mpanao gazetin’ny France 24 eto Madagasikara. Ny harivan’ny 1 oktobra, tamin’ny kabary notononin’ny fampahalalam-baovao Africanews , dia namaly fanafihana nataon-dRajoelina. Manome toky izy hoe: Il n'y a pas de crise à Madagascar, il s’agit seulement d’une crise créée de toutes pièces par quelques candidats qui ne sont pas prêts. Si les candidats ont de l’amour pour la patrie, ils n'agissent pas ainsi à l'approche de l'élection. Ce n'est pas 10 ou 11 personnes qui vont empêcher la population d'exercer son droit de vote, a-t-il ajouté. Tsy misy ny krizy eto Madagasikara fa krizy noforonin’ny kandidà vitsivitsy tsy mbola vonona. Raha tia tanindrazana ireo kandidà dia tsy manao toy izany amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Tsy olona 10 na 11 no hanakana ny vahoaka tsy hampiasa ny zony hifidy, hoy ihany izy. Diaben’ireo kandidà 11 miaraka amin’ireo mpomba azy Nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 2 oktobra dia tazana lohalaharan ‘ny fihetsiketsehana ireo kandidà mivondrona, ​sy ny mpomba azy ireo tao aoriany nizotra nankany amin'ny kianjan'ny 13 mey. Ny kandidà 11 amin'ny fifidianana filoham-pirenena lohalaharan'ny diabe. Saripika: actuorange . Nahazoana alalana Nankasitrahan’ireo mpomba izany fitsofohan'ny kandidà izany. Raha ny filazan’izy ireo dia tsy nisy ny toa izany tamin’ny fihetsiketsehana politika tamin’ny taona 2009, izay nitarika tamin'ny fanonganana an’i Marc Ravalomanana izay nahafatesana olona maherin’ny 30 , ary tsy niaraka tamin’ny vahoaka i Rajoelina. Nidera ny herim-pon’ireo kandidà iraika ambin’ny folo i Dally Andriantefy , mpilalao tenisy matihanina malaza. Ao amin'ny kaontiny Facebook, manoratra izy: Fitifirana etona mandatsa-dranomaso, 9 naratra sy 3 nosamborina Na dia nilamina aza ny fihetsiketsehana, nanipy etona mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana hanaparitahana vahoaka. Maro ireo mpanao fihetsiketsehana fa naratra kely. Kandidà telo no naratra : Andry Raobelina avy amin'ny antoko Anjomara et Rivo-Baovao (ARB),  Rivo Rakotovao avy amin'ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) voatifitry ny bala fingotra tamin'ny tongony ary Tahina Razafinjoelina, naratra kely tamin'ny tanana. Ity vidéo ity no mampiseho ny fanaparitahana ny vahoaka tamin'ny alalan'ny etona mandatsa-dranomaso natoraky ny mpitandro ny filaminana: Anisan’ny voasambotry ny zandary tamin’ny fomba feno habibiana i Rina Randriamasinoro , mpomba an’i Marc Ravalomanana , sady sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Nampidirina am-ponja vonjimaika izy ary tokony havotsotra taorian’ny 48 ora nitazonana azy saingy nohalavaina 24 ora ny fiambenana azy, izay mbola tsy fantatra mazava ny anton’izany. Voasambotra koa ny mpiambina an-dRavalomanana. Tsy mbola fantatra ny anton’ny fisamborana azy ireo. Voasambotra koa ny olona iray voalaza fa nitora-bato mpitandro filaminana. Ity ny horonan-tsary avy amin'ny fantsona IBC izay nisamborana an-keriny an'i Rina Andriamasinoro raha nipetraka mangina teo amin'ny dabilio ho an'ny daholobe. Nitondra fanazavana ny mpitandro filaminana. Araka ny fanazavan’ny lietnà-kolonely Tojo Raoilijon, komandin’ny zandarimariam-pirenena eto Analamanga , faritanin’Antananarivo , dia misy mpitolona mitam-piadiana nifangaro tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana. Lazainy amin'izany ny mpiambina ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, anisan'ny voasambotra. Nambarany ihany koa fa enina no naratra teo anivon’ny mpitandro filaminana , ka ny telo no voafaokan’ireo kandida sy ny hafa tamin’ny tora-bato. Nalaza tampoka tamin'ny aterineto malagasy ny laisoa Voamarika hatsikana ihany koa ny fihetsiketsehana. Lehilahy iray nitondra kitapo am-babena no nandona tsy nahy mpitandro filaminana ka nitarika ny fisamborana azy. Manamafy ireo kandidà iraika ambin’ny folo fa hanohy ny tolona mandra-pihainoana ny fitakiany. Nilaza ny kandidà Jean Jacques Ratsietison , tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Radio France Internationale hoe: « On n’a pas réussi aujourd'hui, mais on reviendra demain, après-demain, jusqu’à ce que l’on trouve un accord entre toutes les parties ». “Tsy nahomby izahay androany, fa hiverina rahampitso, rahafakampitso, mandra-pahitanay fifanarahana eo amin'ny andaniny rehetra.” Araka ny fandehan’ny raharaha, ny krizy dia mety hanakorontana ny fifidianana.
https://mg.globalvoices.org/2023/10/17/166419/
Nambara ny fiverenan'ilay Tsadiàna mpanohitra sady kandidà hifaninana amin'ny fifidianana filoham-pirenena: famahavahàna iarahana amin'ilay manampahaizana, Bienvenue Madjilem
2023-10-17T13:12:32
Unknown
Succès Masra, Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube Tv5monde Info Vanim-potoana lavabe nisiana korontana pôlitika sy ady an-trano marobe ( 1965-1979 ; 1979-1982 ; 2005-2010 ) nifanaovan'ny tafika ara-dalàna sy ireo vondrona mpihoko mitam-piadiana mitaky fahefàna misimisy kokoa amin'ny fitantanana ny firenena no manamarika ny tantaran'i Tchad . Moa ve hitondra fitoniana sôsialy ny fiverenana an-tanindrazana ho an'ilay mpanohitra, Succès Masra, izay milaza hirotsaka amin'ny fifidianana ho filohampirenena hatao amin'ny 2024, raha raikitra ihany, sa ny mifanohitra amin'izay, vao mainka hampitombo ny fifanenjànana? Taorian'ny Aprily 2021 namoizana an'itompokolahy Maréchal Idriss Déby Itno , filohan'i Tchad tamin'ny 1990 hatramin'ny 2021 no nanomboka ny krizy misy amin'izao fotoana izao. Eny tokoa, taorian'ny nilazàna ny fahafatesany, ny zanany lahy Général de brigade Mahamat Idriss Deby Itno no notendrena ho toy ny filoham-panjakana hitantana ny tetezamita iarahan'ny pôlitisiàna-tafika mandritra ny 18 volana. Tamin'ny fiandohan'ny Oktôbra 2022, nisy mihitsy ny dinika nasiônaly natao handraisan'ny rehetra anjara, saingy tsy nandray anjara ny ampahany tamin'ireo fiarahamonim-pirenena sivily sy ny avy amin'ny fanoherana, isan'izany ny antoko Les Transformateurs an'i Succès Masra . Mpahay toekarena ambony, niasa ho an'ny Banky Afrikàna ho an'ny Fampandrosoana (BAD), Masra dia lehilahy pôlitisiàna mitazona fotopisainana sôsialy sy demaokratika. Rehefa nivoaka avy amin'ny dinika tamin'ny Oktôbra 2022, nohalavaina roa taona ilay tetezamita. Taorian'io fanambaràna io, ny 20 Oktôbra 2022 , natombok'i Masra ny fihetsiketsehana iray avy amin'ny mpanohitra, izay nosakanan'ny tafika. Navesatra ny tarehimarika: nihoatra ny 200 no maty araka ny tatitra iray avy amin'ny Organisation Mondiale Contre la Torture (OMCT) – Fikambanana Erantany Manohitra ny Fampijaliana. Tamin'ny Novambra 2022 , nanao sesitany ny tenany tany Etazonia i Masra. Avy any amin'io firenena io izy no nanambara ny fiverenany, nefa ny governemanta tetezamita tsadiàna nandefa didy iraisampirenena ho fampisamborana azy Mba hahatakarana ity krizy vaovao manangasanga ity, ny Global Voices dia nitafa tamin'i Bienvenue Madjilem , tsadiàna mpandalina pôlitika. Jean Sovon (JS): Mino ny hiverenan'ilay mpanohitra, Succès Masra, ao Tchad alohan'ny 2024 ve ianao nefa izy heverina hiatrika fitsaràna vantany vao tafaverina? Bienvenue Madjilem (BM) : Politisiàna manana lanja tsy azo lavina eo amin'ny tontolo pôlitika ao Tchad i Succès Masra. Araka izany, tombontsoa ny hisian'ny fampihavanana nasiônaly sy ny fiarahana miaina, izay omen'ireo tsadiàna manampahefana lanja be tokoa, mba ho apetraka izay fepetra mety hiantohana ny fiverenany sy ny fandraisany anjara mavitrika amin'ireo dingan'ny tetezamita sy ny famerenana ny rafitra araka ny lalàm-panorenana ao Tchad. Rehefa nanambara ny fiverenany izy, dia tena vonona tokoa ny hanohy ny hetsika pôlitika fanaony sy hanomana ny antokony hiatrika ireo fifidianana hoavy. Kanefa ireo fivoaran-draharaha sôsialy sy  pôlitika tao Tchad taorian'ny nanambaràny ny fiverenany amin'ny 18 Oktôbra, indrindra fa ny fisamborana natao an'ireo mpomba azy, 70 raha kely indrindra, izay manomana ny fiverenany, ny fandefasana ilay didy fampisamborana iraisampirenena natao ho azy ary ny fandrahonana ny hisamborana azy dia tsy endri-javatra mampitony mihitsy. Io toedraharaha io no mety ho fototry ny fanemorana ny fiverenany izay efa nambara fa tokony ho ny fiandohan'ny volana Novambra. Tao anaty kabary iray natao tamin'ny 10 Oktôbra ho fankalazana ny tsingerintaonan'ilay Dinika Nasiônaly nandraisan'ny rehetra anjara sy manana ny fiandrianany, nilaza ho mankasitraka ny fiverenan'i Masra sy ireo hafa mpanohitra pôlitika-mitam-piadiana ny filohan'ny tetezamita. Saingy taorian'io filazàna io, dia heveriko fa ilaina izy tenany mihitsy no mirotsaka mamerina indray ny fahatokisana ary manamora ny fiverenan'ilay mpanohitra. Na izany aza, mety hivoatra ny toedraharaha eo ambany fitarihan'ilay mpanelanelana avy amin'ny Communauté Économique des États de l’Afrique Centrale (CEEAC) sy ireo mpiara-mitan-tsoroka manampy an'i Tchad ao anatin'io zotra io. JS : Tsy hanohintohina ny fahafahany hirotsaka hofidiana amin'ny 2024 ve ilay didy fampisamborana nalefa ho azy ? BM : Mazava loatra fa manohintohina ny fahafahan'i Masra hirotsaka amin'ireo fifidianana hoavy ilay didy, ary hiteraka fanafoanana ny firotsahany raha toa izy ka voasambotra. Endri-javatra efa hay tsara izany, mitovy be amin'izay nitranga tany amin'ireo firenena afrikàna hafa, ary mifototra amin'ny fanaovana ho fitaovana ny rafi-pitsaràna mba hanakanana ireo mpifanandrina ara-pôlitika. Tsara ny mampahatsiahy fa Masra dia nahilika nandritra ny fifidianana ho filohampirenena tamin'ny Aprily 2021  nanoloana an'i Maréchal Idriss Déby noho ny taonany, satria novàn'ny mpitondra ny lalàm-panorenana (andininy faha 67) mba hampiakarana ny fetran-taona ambany indrindra ho an'ireo mpirotsaka, 35 taona teo aloha, ho lasa 45 taona. Izay mahatonga antsika hino fa ny hany tanjon'io didy fampisamborana io dia ny handeha amin'izay lojika izay. JS : Miaraka amin'ny fiharatsian'ny toedraharaha momba ny fiarovana ao  Tchad, mitombina ve ny fanantenana fikarakaràna ireo fifidianana hatao amin'ny 2024 ? Ao amin'ny faritra, matetika ny resaka toedraharaha momba ny fiarovana no atao fialàna tsiny tsy hikarakaràna fifidianana. BM : Mibaribary fa ny mety ho fahafahana mikarakara fifidianana ao Tchad amin'ny 2024 dia miankina amin'ny fivoaran'ny teodraharaham-piarovana ao amin'ny firenena, nefa mila anontaniana indrindra indrindra ny fahafahan'ireo tsadiàna manampahefana hiatrika ireo fanamby goavana sasany ho amin'ireo fepotoam-pifidianana. Ny resaka eto dia ny fametrahana ilay Fifanarahana fandriampahalemana natao tao Doha tamin'ny 8 Aogositra 2022 nifanaovan'ny governemanta tetezamita sy ampahany tamin'ny mpanohitra ivondronan'ny pôlitika-tafika izay ny fehinkevitra sasantsasany dia milaza ny fametrahana dingana ho fanesorana ny fitaovam-piadiana, ny fanesorana anaty tafika sy famerenana anaty fiarahamonina (Désarmement Demobilisation Réintegration – DDR) ; momba ny fanavaozana ny tafika ; momba ny fampiharana ireo tarikevitra avy amin'ilay Dinika Nasiônaly nandraisan'ny rehetra anjara sy manana ny fiandrianany tamin'ny 20 Aogositra 2022 ; ary momba ny famoronana rafitra sôsialy sy toekarena tsara afaka hiantoka ny fisitrahana ireo zo fototra sy ireo fahalalahan'ny daholobe ary ny fandraisana anjaran'ireo rehetra mpisehatra sôsialy sy pôlitika ao anatin'ny zotran'ny tetezamita. Kanefa toa tsy vonona amin'ireo teboka rehetra ireo ry zareo tsadiàna manampahefana. Nandritra ny resaka iray ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 2 Oktôbra tao N’Djamena, M. Timan Erdimi , filohan'ny Rassemblement des forces pour le changement (RFC), vondrona iray iraisan'ireo pôlitiàna sy ny tafika izay niditra ao anatin'ny governemanta tetezamita taorian'ireo fifanarahana fandriampahalemana natao tao Doha, dia niampanga fatratra ny fahataràn'ny fampiharana ilay fifanarahana voalaza io, indrindra fa ilay teboka mahakasika ny dingana DDR izay tena ilaina hanomezana toky ireo mpiara-mitan-tsoroka ary hampisy rivotra fandriampahalemana ilaina amin'ny fikarakaràna fifidianana. Ireny fanamby rehetra ireny dia famantarana mialoha daholo ny fanemorana ny fifidianana toy izay nisy tao Mali sy Borkina,  firenena roa miaina anaty tetezamita ihany koa. JS : Ny fifandimbiasan'ireo fanonganam-panjakàna, ny fisintahan'i Frantsa efa voalaza, ary ny fisian'ireo miaramila rosiàna ao amin'ny faritra: inona no fiantraikany amin'i Tchad, ary inona no eritreritr'ireo mpitondra, fa koa ny an'ny vahoaka tsadiàna ? BM : Ekena fa misy fanonganam-panjakana ao Afrika Andrefana sy Afovoany, eo ny fisian'ireo miaramila rosiàna sy ny fialàn'ny andian-tafika frantsay. Fa indrindra indrindra, efa an-taona marobe ilay firenena no niatrika ireo fanambim-piarovana teraka avy amin'ny fitosahan'ireo Sodaney mpialokaloka ao avaratra-atsinanana , ny fanafihana mitsitaitaika ataon'ireo mpampihorohoro avy amin'ny Boko-Haram ao amin'ny faritra Farihin'i Tchad , ary ireo fanafihana miverimberina tanterahan'ireo vondrona mitam-piadiana ao avaratra any amin'ny sisintany libiàna . Mino aho fa mahafantatra tanteraka io toedraharaha io ireo tsadiàna manampahefana. Marina fa resaka manahiran-tsaina ny fikorontanan'ny toedraharaham-piarovana ao Sahel miaraka amin'ny fisian'ny vondrona Wagner, fa hatreto aloha, tsy misy, raha ny fantatro, marika famantarana hetsika fanakorontanana ataon'io vondrona io iarahany amin'ireo vondrona politisiàna-tafika tsadiàna ka hoe mety ho loza mitatao ho an'i Tchad. Raha momba ny olompirenena tsadiàna indray, ny fandalinana ny fanehoankevitr'izy ireo eny anaty tambajotra sôsialy momba io toedraharaha io dia ahitàna taratra fanehoana firaisankina amin'ireo manampahefana sy ny vahoaka maliàna, borkinabe ary nizeriàna. Ankoatra izany, efa talohan'ny nandroahana ireo andian-tafika frantsay tao Borkina Fasô ( 23 Janoary 2023 ), notakian'ireo Tsadiàna ny fialàn'iireo Frantsay nandritra ny fihetsiketsehana iray nataon'ireo antoko sy ny fiaraha-mientan'ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenen akaiky ny fanoherana tamin'ny 2022 tao N’Djamena. Io fihetsehana io dia mety hitohy arakaraky ny fivoaran'ny toedraharaha pôlitika sy sôsialy anatiny. Eo imason'ireo Tsadiàna marobe, i Frantsa no “fositra mahatonga ny zavadoza rehetra” satria minia tsy miraharaha ireo hetaheta demaokratika tsadiàna fa manome vahana ny tombontsoany ara-pôlitika sy jeostratejika.
https://mg.globalvoices.org/2023/10/11/166097/
‘Tsapako ho voaolana aho': Vehivavy tapakevitra handrava ny ranomodin'ny FGM ao Ogandà
2023-10-11T11:02:20
Unknown
Vehivavin'ny Vondrom-piarahamonina Benet Masopo manatrika fivoriana isan-joma momba ny FGM (Fandrimbinam-pananaham-behivavy). Sary avy amin'i Peter Wasswa Buyungo, nahazoana alalana. Navoakan'ny Minority Africa voalohany ny lahatsoratra ary navoaka ato amin'ny Global Voices ny dikan-teny fohy kokoa ho ampahany amin'ny fifanarahana fiarahamiasa amin'ny fizarana votoaty. Mitombo ny fihetsiketsehana matanjaka any amin’ny distrika lavi-dalana any Kween , any atsinanan’i Ogandà. Mivory isaky ny zoma tolakandro ireo vehivavy avy amin'ny tanàna samihafa — izay fomba amam-panao nataon-dry zareo nandritra ny roa taona — mba hiatrika ny olana goavana eo anivon'ny fiarahamonina misy azy ireo: famoràna ny taovam-pananahan'ny vehivavy (FGM-ang). Manevokevoka ny rivotra mandritra ireo fivoriana ireo, saingy mahabe fanantenana. Annet Chelengat, 38 taona, renim-pianakaviana manan-janaka enina ary iray amin'ireo mpikambana mpanorina ny vondrona Benet Masopo Community ihany koa no mpampiantrano ireo fivoriana ireo, izay noforonina voalohany tamin'ny taona 2020. Mifanakalo hevitra momba ny fomba vaovao hiadiana ity fomba fanao (FGM) ity any amin'ny zana-paritra Sebei ireo vehivavy, izay samy efa niharan'ny fandrimbinana taovam-pananahana. “Sady nanasitrana no nanome hery ny fisoloam-bava hanoherana ny FGM miaraka amin'ireo vehivavy ireo. Miara-manapaka ny fahanginana izahay ary mamolavola ny fitantaran'ny vondrom-piarahamoninay”, hoy ny fanazavan'i Chelengat. FGM, fantatra ihany koa amin'ny hoe “famoràna vehivavy” dia fomba fanao fanapahana izay latsa-paka lalina ao amin'ny kolontsain'i Kween sy ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao , anisan'izany Indonezia, Iraka, Yemen, ary firenena 27 Afrika, ary manamarika ny fiovana miala amin'ny maha-tovovavy miditra amin'ny maha-vehivavy. Voaràra tany Ogandà izany tamin'ny taona 2010 tamin'ny alàlan'ny Lalàna Fandraràna ny Fandrimbinana taovam-pananahan'ny vehivavy . Iharan'ny sazy ireo mpanao izany toe-javatra izany, anisan’izany ny fanagadrana hatramin’ny 10 taona. Eo amin'ny sehatra iraisampirenena, ekena ho fanitsakitsahana ny zon'olombelona mihatra amin'ny vehivavy eo amin'ny 200 tapitrisa eo ho eo maneran-tany izany, araka ny tatitry ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana momba ny Ankizy (UNICEF) . Mizara sisintany miaraka amin'i Kenya ny distrika any Ouganda, toa an'i Kween , Kapchorwa , sy Bukwo .​ Any amin'ny vondrom-piarahamonina sasany, raisina ho toy ny fepetra takiana mialoha fanambadiana ny FGM, kanefa matetika tsinontsinoavina ny fanaintainana sy ny olana ara-pahasalamana mandritra ny androm-piainana iaretan'ny vehivavy niharan'ny FGM, hoy i Chelangat. Nandritra ny fivorian'ny vondron'ny Fiarahamonina Benet Masopo, mitantara ny zava-niainany nampihoron-koditra i Chelengat, nilaza hoe: “Vao zazavavy kely aho, tsy manan-tsiny ary feno hagagana raha vao sambany nandre feo momba ny fombafomba ho avy.” Notantarainy ny zava-nitranga taminy: On the day of the ceremony, I was led to a secluded hut, my heart pounding loudly in my ears. The elders performed ancient rituals, and I could hear the distant beat of drums. As the moment approached, fear gripped me like a vice. I wanted to run away, to escape this fate, but tradition held me firmly in its grasp. The women surrounding me seemed solemn as if they bore the burden of this ritual, too. They held my hands, and as I lay down, the pain began. Tamin’ny andro nanaovana ny lanonana, dia nentina tany amin’ny trano bongo iray nitokana aho, ary nidoboka mafy teo an-tsofiko ny foko. Nanao fombafomba fahiny ny zokiolona, ary reko ny doboka amponga lavitra. Rehefa nanakaiky ny fotoana, nototofan'ny tahotra toy ny voatsindrona aho. Te-hilefa aho, mba handositra ity fahoriana ity, saingy nihazona ahy mafy teo am-pelatanany ny fomban-drazana. Toa manetriketrika ireo vehivavy nanodidina ahy toy ny hoe nizaka ny enta-mavesatr'io fombafomba io koa. Notazomin’izy ireo ny tanako, ary rehefa nandry aho, dia nanomboka ny fanaintainana. Araka ny voalazan'i Chelengat, tena mafy ny fanaintainana, fanaintainana izay nandidididy ny tenany. I felt violated, stripped of something sacred, and the tears flowed freely. I wanted to scream, to let the world know of the injustice I was enduring, but I remained silent, as the women who went before me had done. Tsapako ho voaolana aho, nesorina ny zavatra masina, ary nirotsaka ny ranomasoko. Te-hikiakiaka aho, hampahafantatra izao tontolo izao ny tsy rariny niaretako, nefa nangina aho, toy ny nataon’ireo vehivavy teo alohako. Samy nanatri-maso mivantana ny fanaintainana ireo vehivavy tafavory, miaritra ny ratram-po sy ny fahasarotana ara-pahasalamana vokatr'ity tarazo manimba ity. Ny tanjon'izy ireo dia ny hanairana ny saina, hanohitra ny fenitra ara-kolontsaina efa latsa-paka, ary hiasa amin'ny fialana amin'ny fomban'ny FGM. Tapa-kevitra izy ireo hitozo hamorona hoavy azo antoka kokoa, salama kokoa ary mahazo hery kokoa ho an'ny taranaka hoavy. Noforàna tamin'ny taona 1976 teo amin'ny faha-18 taonany i Judith Amonsho, mpanorina ny vondrom-behivavy hafa miady amin'ny FGM, ny Vondron'ny Vehivavy Jericho any Kapchorwa . Nilaza izy taloha fa misy ifandraisany amin'ireo famerana (isankarazany) raha tsy voafora. “Nino izahay fa raha tsy foràna ianao, dia ho voaozona. Afaka mahandro sakafo mihitsy aza ianao, nefa tsy ho voaomana izany.” Mandray anjara amin'ny hetsika miteraka fidiram-bola i Amonsho, miara-miasa amin'ny Vondrona Vehivavy Jericho. Nosoritany fa mitarika mankany amin'ny FGM  ny fahantrana, sy ny fototry ny kolontsaina, satria mahazo fanomezana na vola avy amin'ny ny ray aman-dreny ny zanany ho takalon'ny fandrimbinana. “Manao asa tanana izahay amidy. Iray amin'ireo fomba fiainako koa izy io. Mipetraka eto amin'ny seza misy kodiarana aho ary manao tsihy na manenona harona,” hoy i Amonsho. Amin'izao fotoana izao, izy sy ireo vehivavy hafa ao amin'ny Vondrona Vehivavy Jericho mandrisika ireo tovovavy manodidina ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo hanao laharam-pahamehana ny fanabeazana. Rehefa tafaverina avy any an-tsekoly ireo tovovavy dia manangona ireo fitaovana hanaovana zavakanto sy asa tanana mba hisy zavatra atao. Hatramin'ny niandohan'ny vondrona fisoloanteny dia nahita fanatsarana lehibe teo amin'ny faritra misy azy sy ny distrika manodidina azy i Chalenagti. Ifantohan'ny vondrona indrindra ny fizarana vaovao, fanabeazana ny tovovavy momba ny loza ateraky ny FGM, ary ny fanentanana amin'ny alalan'ny asa tanana sy ny tantara an-tsehatra. Hoy i Kokopu Sarah, mpikambana hafa ao amin'ny vondrom-piarahamonina: “tamin'izany fotoana izany rehefa nampiharina fatratra ny FGM, dia fahazaran'ny ray amandreny ny manolotra fanomezana ho an'ny zanany vavy ho takalon'ny fandrombinana. “Saingy mirona amin'ny fikatrohana ny ankizivavy amin'izao fotoana ka manao asa toy ny fanenomana sy fivarotana harona mba hahazoana vola.” “Manohy fianarana amin'izao ny ankamaroan’ny zanakay vavy, ary ny hafa kosa manao asa any am-piangonana. Ny sasany amin'ny fanenomana, izay tsy nisy teo aloha, ”hoy izy. Nanao ity fisantaran'andraikitra ity tany amin'ny distrika telo, anisan'izany i Kween, Bukwo, ary Kapchorwa ny vondrona. Tsy ilaozam-panamby ireo ezaka rehetra ireo. Araka ny filazan'i Chalenagti dia tsy mora ny dian'izy ireo amin'ny ady atao amin'ny FGM ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, indrindra fa tany am-boalohany noho ny tsy fahampian'ny fanohanana avy amin'ny mpikambana sasany, indrindra ny vehivavy mpitarika. “Tianay hanjavona ity fanao ity, indrindra any amin'ny faritra mafana, saingy tsy afaka manao zavatra betsaka izahay raha tsy manome sehatra anay ny governemanta,” hoy ny fanamafisany. Na izany aza, tsy nanakana ireo vehivavy tsy hanohy ny ady amin'ny “fomba fanao ratsy” ny fanohanana voafetra izay nisy fiantraikany lalina tamin'ny tovovavy maro tao amin'ny faritra. I remember we started with five women, but now we are more than 100 women in this village. We have many women's groups in the other surrounding districts who have joined the cause, and we are progressing well so far. Tadidiko fa vehivavy dimy no niandohanay, fa izao dia vehivavy maherin’ny 100 eto amin’ity tanàna ity. Betsaka ny fikambanam-behivavy any amin’ny distrika hafa manodidina izay nanatevin-daharana ny hetsika, ary mandroso tsara isika hatreto. Maherin’ny 100 ny mpikambana ao amin’ny vondrona Benet Masopo Community hatramin’izao. Raha niantomboka tamin'ny fikambanan'ny vehivavy ny vondrona tamin'ny voalohany, dia raisina an-tanan-droa ihany koa ny lehilahy ary misy ny niditra. “Ankehitriny, mijoro eto aho ho tafavoaka velona, ​​feon'ny fiovana, ary mariky ny faharetana,” hoy i Chelengat. “Mbola lavitra ny lalana, saingy fantatro fa miaraka amin'ny herim-po sy ny firaisankina dia afaka mamorona hoavy tsy ahafahan'ny fomban-drazana manimba antsika intsony isika.”
https://mg.globalvoices.org/2023/10/05/166239/
An'ny voambolana ny fitenenana : Fizaràna faha #07
2023-10-05T09:46:41
Unknown
Pikantsary tamin'ny fiarahabana nahatratra ny Taona Vaovao an'ny fantsona YouTube an'ny magazay Komiksar.cz Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”,  asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, nefa koa ireo tsy afaka adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa tsy nasiana fandikàna sy matetika maka dika vaovao mihitsy. Hita eto avokoa ireo fizaranay rehetra nataonay teo aloha : Les mots ont la parole Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay : Essencerie ( F ivarotan-tsolika) Ampiasaina indrindra any Senegaly io teny io, nefa koa any Québec , ary mitovy hevitra amin'ny hoe paompin-dasantsy, araka izay hazavain'ny rakibolana Larousse an-tambajotra : anarana “féminin”. Ao Senegaly, tobin- dasantsy Tahaka izay lazain'ity lahatsary ity, mifanaraka amin'ny lojikan'ny teny frantsay io teny io, tahaka ny teny hoe fivarotana firavaka : Na izany aza, tokony ho marihana fa any Senegaly, io teny io dia manomboka miha-ntaolo amin'izao fotoana izao, satria mahàlana no mampiasa azy ireo zandriny indrindra fa aleony mampiasa kokoa ny teny hoe paompin-dasantsy – izay indrindra, saika efa nanjavona eny amin'ny tontolon'ny tanàn-dehibe v ireo takelaka famantarana hoe “essencerie”. Ho an'ny taranaka zokinjokiny, mbola  mijanona ho manan-danja io teny io ary indraindray hita any anaty gazety an-tsoratra, tahaka izay asehon’ ity lahatsoratra tamin'ny taona 2018 ity mitondra ny lohateny hoe : Mboro: fipoahana “essencerie ” – fivarotan-dasantsy miafina – iray nahafaty olona iray sy maratra mafy telo PF Any amin'ny Repoblika Tseky sy any Slôvakia, rehefa ankatoky ny Taombaovao dia fanao mahazatra ny mandefa karatra pôstaly ho an'ny fianakaviana sy namana ary ny mpiara-monina. Ahitana ny sarin'ny faran'ny taona ireo karatra ireo, ary matetika, teny roa mifono misitery no voasoratra manodidina ny sary : PF. Ity fanafohezan-teny ity, izay tononina hoe ” pé-èfko” amin'ny teny Tseky, raha ny tena izy, dia maneho teny frantsay roa : “Pour féliciter” (Ho Fiarahabàna). Tahaka izay hazavain'ny tranokalan'ny Akademia momba ny Siansa Tseky : Určitě mnoho lidí ani neví, co vlastně toto spojení původně znamenalo, berou ho jako značku, jako něco, co je synonymní s přáním: šťastný nový rok. Azo antoka fa marobe ny olona no tsy mahalala akory ny dikan'io fanafohezan-teny io tany am-boalohany, raisin'izy ireo ho sahala amin'ny marika fotsiny izy io, toy ny zavatra mitovy hevitra amin'ny firariana soa noho ny taombaovao. Marihana fa tsy ampiasaina any Frantsa ity fomba fiteny ity amin'izao vanim-potoana fanomanana fetin'ny faran'ny taona izao. Ity lahatsarin'ny magazay iray mpivarotra boky tantara an-tsary ity dia manomboka sy mifarana amin'ny firariantsoa Tratry ny Taona Vaovao ravahan'ny “PF” lehibe : A belle époque paraense, fiteny Portiogey Breziliana manondro ny fandrosoana an-tanàndehibe izay nanomboka tamin'ny faran'ny taonjato faha-19 izy ity ary fantatra any Brezila amin'ny anarana hoe “a belle époque paraense “, na “la Belle Époque de Pará” (Ny vanimpotoana tsara fony Pará). Belém no renivohitr'ity fanjakana Pará ity, ao amin'ny faritra Amazoniana ao Avaratry ny firenena. Tamin'izany fotoana izany, ilay faritra dia niaina firoboroboana nifandraika tamin'ny famokarana fingotra sy fitaran'ny fanjanahantany matanjaka . Araka izany dia nahasarika mpifindra-monina marobe ilay tanàna, anisan'izany ireo Eoropeana izay nahazo aingam-panahy tamin'ny endriky ny “Belle Époque” toy ny Zavakanto vaovao , indrindra amin'ny endriny Pariziana. Avy eo i Belém nantsoina hoe “a Francesinha do norte” (ilay Frantsa kely any Avaratra) na “o Paris tropical” (ilay Parisy-n'ny tany mafana). Amin'izao fotoana izao, mbola hita ao an-tanàna io aingam-panahy frantsay io, toy ny any amin'ny Casa Paris n'América , aingam-panahy avy amin'ny Galeries Lafayette ao Parisy. Tao anatin'ny hira ny “La Belle Époque”, mahatsiaro an'i Pará am-pitiavana ny vondrona O Campo e a Cidade : Nanatontosa ihany koa ity fanadihadiana ity mikasika io vanim-potoana fohy io ilay bilaogera SouParaense (avy any Pará aho) . Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org
https://mg.globalvoices.org/2023/10/03/166139/
Fanaraha-maso ny haino vaky jery, fandrahonana mihatra amin'ny demaokrasia any Nizeria
2023-10-03T08:45:23
Unknown
Mpanao gazety Nizeriana tao amin'ny World Economic Forum on Africa tany Abuja, Nizeria, 2014. Sary avy amin'i Jakob Polacsek ao amin'ny Flickr, Copyright World Economic Forum ( CC BY-NC-SA 2.0 ). Avy amin'i Yinka Olaito Manana anjara toerana lehibe amin'ny fitandroana ny demaokrasia ny haino vaky jery amin'ny alalan'ny fanaraha-maso ny fahefam-panjakana sy ny fanamafisana ny feon'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika. Na izany aza, manenjika sy manakantsakana hatrany ny fahafahan'ny media manatanteraka ny asany tena ilaina ny governemanta, sy ireo mpanao politika marobe ao Nizeria . Araka ny ranty X (Twitter taloha) avy amin'ny The Cable, tranonkalam-baovao an-jotra Nizeriana, niatrika fanafihana vao haingana ireo mpanao gazety Nizeriana maromaro sy trano fampahalalam-baovao telo: IPC: 66 Nigerian journalists, three media houses attacked in 2022 | TheCable https://t.co/MNstyob3xA pic.twitter.com/5e700GtOjA — TheCable (@thecableng) May 5, 2023 IPC: mpanao gazety Nizeriana 66, trano fampitam-baovao telo notafihana tamin'ny taona 2022 Nofaritan'ny BBC fa ny sehatra haino vaky jery ao Nizeria no tena mavitrika indrindra ao Afrika. Na izany aza, tsy midika izany fa tsy tratran'ny sivana na fanenjehana ny haino aman-jery. Matetika rahonana , samborina , na vonoina mihitsy aza ny mpanao gazety noho ny tatitra ataony, ary indraindray akatona mihitsy ny fampahalalam-baovao. Tsy mahagaga izany, satria nidina ny laharan'i Nizeria ao amin'ny World Press Freedom Index, raha faha-120 tamin'ny firenena 180 tamin'ny taona 2021 dia lasa laharana faha-123 ny taona 2023 . Nolavin'ny governemanta Nizeriana io filaharana io, saingy mbola mitoetra ny zava-misy. Nidina ny laharan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Nizeria tato anatin'ny taona vitsivitsy, ary misy ny ahiahy lehibe momba ny fanorisorenana sy fampitahorana mpanao gazety.​ Ohatra, tamin'ny volana Febroary tamin'ny herintaona, nosamborin'ny sampan-draharaham-panjakana mpitsikilo ( Department of State Services – DSS) i Lanre Arogundadeon, mpanao gazety lohalaharana raha teny an-dalana hiverina ho any Lagos niala tany Banjul ao Gambia. Taorian'ny famotsorana azy, nilaza ny DSS fa tranga fahadisoana fifangaroana olona izany saingy nilaza ny tatitra avy amin'ny Sahara Reporters fa voatonona ho iray amin'ireo mpanao gazety manohitra ny fitondran'ny filoha Muhammadu Bihari izy. Nasehon'ny governora teo aloha tao amin'ny fanjakan'i Zamfara , minisitry ny fiarovam-pirenena ankehitriny, Bello Matawalle ny tranga hafa amin'ny fampijaliana ny asa fanaovan-gazety. Nandidy ny fanakatonana ireo fampahalalam-baovao enina izy noho ny fitantaran'izy ireo ny famoriam-bahoakan'ny antoko mpanohitra izay nandika ny fandraràna hetsika ara-politika avy amin'ny governemanta, fanapahan-kevitra izay toa noheverina ho fikasana hanakana ny mpanohitra. Fanampin'izay, trano fampahalalam-baovao dimy eo ho eo, anisan'izany ny DSTV, no nosazian'ny Vaomieran'ny Fampielezam-peo Nizeria (NBC)  handoa onitra nitentina 5 tapitrisa NGN (eo ho eo amin'ny 6,4 tapitrisa dolara) tsirairay avy noho ny fandefasana tantara izay nolazainy fa “nanandratra asan- jiolahy”, fanapahan-kevitra iray notsikerain'ny Vaomiera Afrikanina momba ny Zon'olombelona sy ny Vahoaka (ACHPR). Nampiharina tamin'ny Channels Television ihany koa ny fandoavana onitra mitovy amin'izany noho ny fandefasana ny hevitr'i Yusuf Datti, kandidà ho filoha lefitry avy amin'ny Antoko Mpiasa, momba ny voka-pifidianana ankapobeny Nizeriana tamin'ny taona 2023, tamin'ny filazana fa mety hanakorontana ny filaminam-bahoaka ny fanehoan-keviny. Na dia ilaina aza ny fanakanana ny kabary feno fankahalàna sy ny teny manevateva, tsy niresaka manokana ireo olana ireo ny taratasin'ny NBC . Ankoatra izay, tsy voahaja ny fitsipiky ny fakàna am-bavany ara-drariny, izay mitaky dingana ara-dalàna tokony harahina alohan'ny fanomezan-tsazy handoa onitra. Vao haingana, noravan'ny governemanta Federaly Nizeriana ny Advertising Standard Panel (APL) an'i Nizeria noho ny dokambarotra “All Eyes on the Judiciary (any amin'ny Fitsarana ny Maso rehetra)” naseho tamin'ny takela-by sasany manerana ny firenena. Manamafy ity trangan-javatra ity fa ilaina ny fahamalinana eo amin’ny sehatry ny fitsarana. Fivoarana mampanahy ny fandravana nataon'ny filankevi-pitantanan'ny Fandrindrana ny Dokambarotra ao Nizeria (Advertising Regulatory Council of Nigeria -ARCON). Hita amin’izany fa vonona hampiasa ny fahefany ny fitondram-panjakana mba hampanginana izay mitsikera azy. Manimba ny fahaleovantenan'ny indostrian'ny dokam-barotra ihany koa izany. Mampanahy ihany koa ny fitakiana fitsipika henjana kokoa ifehezana ny media sosialy nataon'i Dele Alake , minisitry ny harena an-kibon'ny tany ankehitriny. Fitaovana mahery vaika amin'ny fifandraisana sy fanehoan-kevitra ny media sosialy. Mamela ny olona hizara malalaka ny heviny sy ny fomba fijeriny izany. Azo ampiasaina hanampenam-bava ny tsy mitovy hevitra sy hamerana ny fahalalahana miteny ny fitsipika henjana kokoa. Ohatra iray hafa amin'ny fomba ahafahan'ny governemanta mampiasa ny fahefany hampanginana ny haino aman-jery ny fandraràn'ny fitantanan'ny Filoha Buhari ny Twitter tamin'ny taona 2021 . Efa ho fito volana no nisian’ny fandrarana, ary nisy fiantraikany ratsy tamin’ny fahalalaham-pitenenana teto Nizeria izany. Ny mpitarika, ny mpanao politika ary ny lehiben'ny masoivoho Nizeriana dia tokony hanaraka ny Andininy faha-39 (1) (2) ao amin'ny lalàmpanorenana Nizeriana , izay miantoka ny fahalalahana miteny sy ny fametrahana ny haino vaky jery ho fitaovan'ny demaokrasia. Tsy maintsy miantoka ny fiasan'ny indostrian'ny haino vaky jery amin'ny fomba mahomby, mifanaraka amin'ny fitsipika voasoritra ao amin'ny andininy faha-16 sy faha-17 ao amin'ny Vaomiera Afrikana momba ny Zon'olombelona sy ny Vahoaka ( ACHPR ) ny mpitarika Nizeriana. Manantitrantitra ireo fitsipika ireo fa tokony omen'ny  governemanta sy ny masoivohony fahaleovantena ny haino vaky jery, mihazona ny fahamarinan'ireo birao mifehy ny haino aman-jery, ary misoroka ny fitsabahana ara-politika. Mitàna anjara toerana lehibe amin’ny demaokrasia ny haino vaky jery, ary zava-dehibe ny fahalalahana manao ny asany tsy misy tahotra valifaty. Tsy maintsy manohana ny fampahalalam-baovao ny governemanta, ny sampan-draharaham-pitsarana ary ny sampan-draharahan'ny fanarahamaso ary miantoka fa manana fahalalahana mitati-baovao izy no afaka mihazona tamberin'andraikitra amin'ny governemanta. Tsy maintsy misoroka ny fanorisorenana ny haino vaky jery ihany koa ny governemanta, anisan'izany ny fisamborana mpanao gazety, ny fanakatonana ny haino vaky jery, na ny fandrahonana herisetra amin'ny mpanao gazety. Rehefa manenjika ny haino vaky jery ny governemanta, dia loza mitatao mivantana amin'ny demaokrasia izany.
https://mg.globalvoices.org/2023/10/02/166178/
Mitaky ny rariny sy tamberin'andraikitra ny Nizeriana taorian'ny nahafatesan'ilay mpanao rap Mohbad
2023-10-02T07:08:28
Unknown
Pikantsarin'ny mpiangaly rap Nizeriana sady mpihira Mohbad avy amin'ny lahatsary YouTube, ‘Ny Fahafatesana MAHATSIRAVINA nahazo an'i Mohbad & Lisitry ny Mpanakanto hafa LASIBATRY ny Olana momba ny Mari-pamantarana ‘ avy amin'ny African Glitz TV . Fampiasana ara-drariny. Avy amin'i Oluwapelumi Adewole Taorian'ny fahafatesan'i Ilerioluwa Oladimeji Aloba, Nizeriana mpiangaly mozika, 27 taona, fantatra amin'ny anarana hoe Mohbad ,  niparitaka nanerana ny media sosialy ny onjan'adihevitra sy fiampangana, nahatonga valinteny lehibe avy amin'ny mponina Nizeriana. Nampitombo fitakiana amin'ny fandraràna sy fisamborana ny mpandrakitra rakikira taloha an'i Mohbad, Marlians Music ny adihevitra. Namorona tenirohy ny Nizeriana ary nanao fihetsiketsehana an-dalambe mitaky ny polisy hijery ny antony nahafaty an'i Mohbad. Nifanaiky tamina mari-pamantarana firaketan-kira, izay an'ilay mpiangaly rap Nizeriana mampiady hevitra, Azeez Adeshina Fashola, aka Naira Marley , tamin'ny taona 2019 ilay Nizeriana mpiangaly rap sady mpihira. Nambaran'ilay mpanakanto Afrobeats ny fialany tamin'ny marika firaketana tamin'ny 25 Oktobra 2022. Namoaka fanambarana ny ekipany misahana ny raharaham-pitsarana, izay milaza fa ny fialàn'i Mohbad dia vokatry ny famelezana tsy an-kijanona izay voalaza fa nataon'i Naira Marley, sy ny tambin-karama tsy voaloa nanomboka tamin'ny taona 2019. Nandritra izany fotoana izany, efa nisy fotoana nisamborana an'i Naira Marley noho ny heloka bevava maro anisan'izany ny hosoka sy ny heloka an'habaka, ny fandrobana, ny herisetra ara-nofo ary ny maro hafa tany Nizeria, ary koa tany UK. Mohbad’s demise was confirmed on September 14 , barely a year after his contentious split with his record label. Before Mohbad’s death, he recorded a viral video holding Naira Marley accountable for what he believed would be his impending death. Nohamafisina tamin'ny 14 Septambra ny fahafatesan'i Mohbad, efa ho herintaona taorian'ny fisarahany nampifanditra tamin'ny marika firaketany hira. Talohan'ny nahafatesan'i Mohbad, nandrakitra lahatsary niparitaka be nilaza ny maha tompon'andraikitra an'i Naira Marley amin'ny fahafatesana mirantiranty an-tampondohany izy. If i die na marlain music Kee me - Mohbad pic.twitter.com/Zu1fxn1F3J — Gowies (@Badgowies) September 14, 2023 Raha maty aho mozika marlain Kee namono ahy – Mohbad Tamin'ny 27 Jona, nametraka fitoriana an'i Sam Larry (sakaizan'i Naira Marley) tany amin'ny Polisy Nizeriana i Mohbad noho ny voalaza fa  fanafihana nandritra ny lahatsarin'ny hirany vaovao mitondra ny lohateny hoe “Mamindra kaonty (Account balance).” Fotoana fohy taorian'ny nahafatesany, nanomboka nivezivezy an-jotra ny horonan-tsary sy sary , milaza fa misy ny porofo sasany mampiseho fa mety misy ifandraisany amin'ny lehibeny taloha, Naira Marley, sy ny naman'ny lehibeny, Alubarika Eletu Balogun, fantatra amin'ny anarana hoe Sam Larry ny fahafatesany. Noho ny tsindry avy amin'ny vahoaka Nizeriana, nanambara tao amin'ny X (Twitter taloha)  ny governemantan'ny governoran'ny Fanjakan'i Lagos, Babajide Sanwoolu fa nanomboka fanadihadiana momba ilay raharaha ny governemanta. I would like to assure everyone that I am not oblivious to the sad passing of Ilerioluwa Oladimeji Imole Aloba (Mohbad). We have been closely working behind the scenes with relevant authorities, and keenly following the ongoing investigations. However, in order to boost the… pic.twitter.com/fZn8GIDr85 — Babajide Sanwo-Olu (@jidesanwoolu) September 19, 2023 Te-hanome toky ny rehetra aho fa tsy manadino ny fahalasanan'i Ilerioluwa Oladimeji Imole Aloba (Mohbad). Niara-niasa akaiky teny an-toerana niaraka tamin'ireo manampahefana voakasik'izany izahay, ary nanaraka tsara ny fanadihadiana natao. Na izany aza, mba hanamafisana ny… pic.twitter.com/fZn8GIDr85 Niantso ireo ray aman-dreny sy ny tanora, ary koa ireo mpiala voly tamin'ny alalan'ny kaontiny Instagram tamin'ny lahatsary mivantana ilay mpilalao sarimihetsika Nizeriana, Iyabo Ojo , mandrisika azy ireo hanohana azy amin'ny famoriam-bahoaka hitakiana ny rariny mba hikatsahana ny rariny araka ny tokony izy ho an'ny maty sy ny fitsarana ireo mpamono azy. “Ny ray aman-dreny rehetra, na lahy na vavy, izay malahelo noho ity zava-nitranga ity, ireo tanora rehetra izay tena nalahelo noho ny fahafatesan'i Mohbad, dia hifidy daty isika. Mizotra mankany amin’ny biraon’izy ireo isika satria mila ny rariny. Fihetsiketsehana milamina izany ary manome zo antsika hanao fihetsiketsehana ny lalàmpanorenantsika”, hoy izy. Na izany aza, nisy tanora Nizeriana sasany nidina an-dalambe tampoka mba hitaky ny rariny ho an'i Mohbad. Naneho firaisankina, nampiseho ny afisy sy ny sarin'i Mohbad sady nihira mafy ho an'ny rariny ireo mpanao hetsi-panoherana, miisa an-jatony. Nanakoako teny an-dalambe ny antsoantson'izy ireo nanakoako hoe: “Mitaky ny rariny ho an’i Mohbad izahay.” Olona maherin'ny 260.000 no nanao sonia ny fanangonan-tsonia handraràna ny Mozika Marlian. Nanomboka ny fanadihadiana ny Polisim-panjakan'i Lagos tamin'ny fananganana ekipa mpanao fanadihadiana manokana ahitana olona 13 mba hijery ny zava-misy manodidina ny fahafatesan'i Mohbad tampoka sy ny fandevenana azy haingana an'i Mohbad. Tamin'ny 21 Septambra, nilaza ny mpitondratenin'ny polisim-panjakana Lagos, Benjamin Hundeyin, fa nofongarina ny fatin'i Mohbad mba hanaovana fandidiam-paty. Efa vita ny fizahana ny razana amin’izao fotoana izao, saingy mbola tsy mivoaka ny valiny, ka miandry ny fanazavana momba ny antony nahafaty an’i Mohbad ny Nizeriana. Mandritra izany fotoana izany, vokatry ny fiampangana, voaràra amin'ny onjam-peo maromaro mandra-pahatongan'ny filazana manaraka ny hiran'i Naira Marley.
https://mg.globalvoices.org/2023/09/30/166057/
Lalàna vaovao henjana mandrahona ny tsiambaratelon'ny angondrakitra sy ny fiarovana ny fanarahamaso an'i Tanzania
2023-09-30T14:22:07
Unknown
Sary avy amin'ny Pixabay , nampiasaina nahazoana alalana tamin'ny Pixabay Efa am-polo taona maro no feno fahasahiranana ny ezaka nataon'i Tanzania amin'ny fametrahana rafitra famantarana ny mponina ao aminy, anatin'izany ny hetsika farany izay ahitana ny fanangonana angondrakitra biometrika faobe. Nanomboka tetikasa iray mikendry ny hamorona rafitra famantarana ny olom-pireneny i Tanzania taorian'ny nahazoana ny fahaleovantena tamin'ny 1961. Tsy naharitra ela anefa izany drafitra izany satria tsy nanana ny fahafahana ara-bola ilaina ny governemanta hanatanterahana azy. Am-polo taona aty aoriana kosa dia hanokatra lalana amin'ny fananganana ny National Identification Authority (NIDA) izay fikambanana iray miandraikitra ny fandraketana ny olom-pirenena Tanzaniana sy ny mponina ara-dalàna ao aminy ary manome azy ireo ny kara-panondrom-pirenena ny fankatoavana ny lalàna mikasika ny Fisoratana anarana sy ny Famantarana ny olona tamin'ny taona 1986 , sy ny fanontana voahitsy nanaraka azy (2012) . Tamin'ny taona 2013, novelomina indray ny tetikasa mikendry ny hanomezana famantarana biometrika ho an'ireo Tanzaniana. Notohanan'ny Banky Iraisam-pirenena ity drafitra ity, mifanaraka amin'ny Tanjona ho amin'ny fampandrosoana maharitra 16.9 an'ny Firenena Mikambana , izay mikendry ny hanome famantarana ny rehetra hatramin'ny taona 2030. Ankoatra ny famantarana nomerika sy ny fisorohana ny hosoka dia hahafahan'ny mpitandro filaminana, ireo misahana ny fifindra-monina sy ny hetra ary izay sampan-draharaham-panjakana hafa misy mizara vaovao sy manavaka an'ireo Tanzaniana amin'ireo vahiny ihany koa ny karapanondrom-pirenena, na koa antsoina hoe Laharana karapanondrom-pirenena. Mponina enina tapitrisa avy any amin'ny tanibe Tanzania sy Zanzibar no voarakitra fa nahazo karapanondrom-pirenena biometrika tamin'ny taona 2015, ary manodidina ny 2,7 tapitrisa eo ho eo amin'ny mponina voasoratra anarana no voalaza fa naharay ny karapanondrony biometrika. Nikatsaka ny hanararaotra izany ny Tanzania Communications Regulatory Authority (TCRA) izay niara-niasa tamin'ny NIDA, ka nanangana tetikasa andrana tamin'ny Martsa 2018 hanoratana karatra SIM ho an'ireo mpanjifa vaovao amin'ny alalan'ny teknolojia biometrika. Ny fe-potoana farany nomena ireo mpanjifa tao Tanzania mba hanatanterahany izany kosa dia tamin'io volana io ihany : Martsa 2018. Tamin'ny taona 2020, namoaka Torolàlana mikasika ny Fifandraisana  Elektronika sy Postaly ny TCRA (fandraketana ny karatra SIM) – EPOCA (Torolàlana SCR) . Ireo fitsipika ireo dia mandidy ny olom-pirenena Tanzaniana sy ny mponina manana karatra SIM efa misy mba hanoratra ny karatra SIM amin'ny alalan'ny rafitra fisoratana anarana biometrika vaovao natsangan'ny tomponandraikitry ny serasera. Mandritra ny fanoratana anarana dia tsy maintsy manome ny lavo-tondrony ireo mpanjifa vaovao, izay mifandray mivantana amin'ny karapanondrony. Ireo ezaka nataon'ny governemanta ireo – ny famantarana biometrika sy ny fisoratana anarana amin'ny karatra SIM EPOCA – dia tonga tamin'ny vanim-potoana izay tsy nananan'i Tanzania ny lalàna mikasika ny fiarovana ny angon-drakitra. Tamin'ny fotoanan'ny famoahana an'ity lahatsoratra ity dia nankatoavin ‘ny parlemantera Tanzaniana tsy nisy fisalasalana ny volavolan-dalàna mikasika ny fiarovana ny angona ary miandry ny fankatoavan'ny filoham-pirenena. Ny tsy fisian'ny lalàna matanjaka mikasika ny fiarovana ny fiainana manokana dia niafara tamin'ny fanakianan'ireo mpiaramiombonantoka samihafa, izay nino fa mampidi-doza eo amin'ny fiainan'ny olom-pirenena ny famoahana ny famantarana nomerika . Nanentana ny governemanta Tanzaniana ireo mpandray anjara mba hifehy ny tsiambaratelon'ny famantarana nomerika alohan'ny hirosoany amin'ny dingana manaraka. Fanampin'izay, manoloana ny fampiharana ny fepetra mikasika ny karatra SIM biometrika dia atahorana hiteraka fahabangana ny tsy fisian'ny lalàna mikasika ny fiarovana ny fiainana manokana, ka mety hahafahan'ireo sampan-draharaham-panjakana miray tsikombakomba amin'ny orinasam-pifandraisan-davitra mba hanakanana ny fifandraisana noho ny fiahiahiana helokabevava na rahona eo amin'ny fandriampahalemana. Ny toe-draharaha fampihorohoroana natao tamin'ny filohan'ny mpanohitra ao Tanzania, Freeman Mbowe, no ohatra iray amin'izany, izay niaiken'ny vavolombelona iray avy ao amin'ny Tigo (orinasan-tserasera iray) nandritra ny fakana am-bavany azy teo amin'ny tribonaly fa ny fanarahana ny fitakian'ny manampahefana Tanzaniana ho azy ireo no laharam-pahamehana ambony noho ny fiainana manokan'ireo mpanjifa, izay niteraka adihevitra mafana tamin'ny sehatra samihafa tao Tanzania. Ny famerenana ny politikan'ny tsiambaratelon'ireo orinasam-pifandraisana hafa toa ny Vodacom Tanzania sy ny Airtel Tanzania dia ahitana fa samy nizara ny angondrakiny manokana tamin'olon-kafa izy ireo, anisan'izany ny sampan-draharaha misahana ny fampiharana ny lalàna sy ny manampahefana misahana ny fanarahamaso ny fitsipika, satria “mety ho takian'ny fitsarana Tanzaniana izany”. Halotel kosa, etsy andaniny, dia tsy namoaka fanambaràna ara-politika mikasika ny fiainana manokana tao amin'ny vavahadim-pifandraisany. Ny tsy firaharahiana tanteraka ny fiainana manokan'ireo mpampiasa ataon'ireo mpandraharaha amin'ny fifandraisan-davitra dia mety ho vokatry ny Torolàlana momba ny Fanadihadiana navoakan'ny EPOCA tamin'ny 2017 . Ny andininy faha-22 dia milaza fa ny mpanome tolotra fifandraisana dia tokony hiantoka fa vitan'ireo rafitra paostaly sy fifandraisana ao aminy ny manohana ara-teknika ny fitsikilovana ara-dalàna ny fifandraisana amin'ny fotoana rehetra, hiantoka fa afaka manome fitaovana fanaraha maso mivantana sy tsy an-kiato ireo sampandraharaha ao aminy rehefa misy ny fitsikilovana fifandraisana, hiantoka  fa hanome eo noho eo ny mombamomba ny antso rehetra na vantany vao vita ny antso,  hiantoka fa hanolotra “interface” iray na maromaro izay handefasana ireo fifandraisana voatsikilo rehetra mankany amin'ny toeram-pitantanana ny “interface”, ary hiantoka fa hiampita any amin'ny foibe fanaraha-maso amin'ny alalan'ny fifandraisana mivaingana. Ny mpampihatra lalàna kosa dia omena fahefana hitsikilo malalaka araka ny andininy faha-5 amin'ny torolàlana. Ny Tale Jeneralin'ny Tanzanian Intelligence and Security Service (TISS) sy/na ny Talen'ny Famotorana Helokabevava (DCI), ohatra, dia afaka mitsikilo ny fifandraisana amin'ny orinasan-tserasera rehetra rehefa mahazo teny midina ahafahana mitsikilo avy amin'ny Inspektera Jeneralin'ny Mpitandro Filaminana (IGP). Raha toa ka manan-jo hiaro ny fiainany manokana sy ny tenany ny tsirairay araka ny andininy faha-16 amin'ny Lalàm-panorenana Tanzaniana tsirairay dia mbola tsy manana lalàna mahomby hatrany kosa izy hiarovana ny fiainana manokan'ireo olom-pireneny amin'izao vanim-potoanan'ny nomerika izao. Izany dia hanampy amin'ny fametrahana ny firenena hitovy amin'ireo mpiara-belona aminy ao amin'ny Vondrompiarahamonin'i Afrika Atsinanana izay manana lalàna mikasika ny Lalàna fiarovana ny angondrakitra , ary noho izany dia hampandroso ny toeran'ny angondrakitra na ny fitehirizana ny angondrakitry ny tsirairay ao anatin'ny sisintanin'ny firenena, anatin'ny ezaka ahafahana miantoka fa voangona, voahodina, ary voatahiry amin'ny fomba mifanaraka amin'ny fenitry ny tsimbaratelon'ny angondrakitra isam-paritra sy iraisam-pirenena ny angondrakitry ny tsirairay. Manasa anao hitsidika ny pejin'ny tetikasa raha mila fanampim-baovao avy amin'ny Unfreedom Monitor .
https://mg.globalvoices.org/2023/09/30/166147/
Kamerona : na nampidirana teknika vaovao ho fanarahamaso aza dia mbola mizaka tsindry noho ny asan'olombelona ihany ny Valanjavaboary Nasiônaly Boumba Bek
2023-09-30T04:39:51
Unknown
Mpiambina ala mametraka fandrika fakàna sary ao amin'ny valanjavaboary nasiônaly Boumba Bek. Saripika natolotr'i Leocadia Bongben. Eo ampitarihana tarika iray misy lehilahy 12, vao mangiran-dratsy i Donatien Amendo, 30 taona, dia mandao ny tobiny miorina eo ampototry ny renirano Bek, ao amin'ny iray amin'ireo faritra mazavazava ao anaty alan'ny valanjavaboary nasiônaly Boumba Bek , atsimo-atsinanan'i Kamerona. Miato tampoka i Amendo, mandefa toromarika amin'ireo mpanara-dia azy mba tsy hisy hihetsika intsony. Mihaino am-pahamalinana ireo feo any lavitra any izy; avy eo mibitsibitsika, « Babakoto. » Tsy misy mihetsika ilay tarika, mijery babakoto efatra mandroso miditra lalina mankany anaty kirihitra. Telo taona i Amendo no efa niasa tao amin'ilay valanjavaboary, izay naka ny anarany avy amin'ny toerana misy azy eo anelanelan'ireo renirano Boumba sy Bek. Azony alaina an-tsaina avy amin'ny alàlan'ny feo fa mety hahatratra mpihaza izy na tsy maintsy hiandry am-paharetana ireo babakoto sy elefanta mba hanohy ny làlan-dry zareo. Milazalaza amintsika momba ny asany i Amendo : I am Baka , and I work in the forest with eco-guards to follow the trails of animals. When we spot something ahead of us, we pause to see if someone or an animal is passing by. As we make our way to the watchtower, we note the names of the animals that passed by, Manam-piaviana baka aho, ary tafiditra amin'ny asako ny fitiliana ireo soritra navelan'ny biby any an'ala, miaraka amin'ireo mpiambina ny tontolo iainana. Raha vao mahatsapa fisiana eny amin'ny làlana izoranay izahay dia mijanona mba handinika sao misy olona na biby akaikikaiky eo. Eny an-dàlana mamonjy ny toerana fanarahamaso, raisinay ny anaran'ireo biby nifanena taminay. Manampy izy : « Fantatray daholo ny momba ny ala sy ireo biby, vitanay ny  mamantatra azy ireny amin'ny alàlan'ny hiakany, ny dian-tongony na ny tainy. » Amendo dia isan'ny ao anatin'ny ekipa mpanaramaso biôlôjika, ahitàna Kameroney enina mpiambina ny tontolo iainana, olona dimy hafa avy ao amin'ilay faritra ary mpiasa iray avy amin'ny Tahiry Erantany ho an'ny Natiora (WWF). Ny fanarahamaso biôlôjika dia fomba iray ilàna ny maha-eo tsy tapaka ny olombelona sy ny fampiasàna ireo fakantsary fandrika mba hanarahana maso ny fihetsiketsehan'ireo mponina ao an'ala. Mba hiantohana hoe mahatsapa ho tsy anjorom-bala ireo ekipa tsirairay miasa ao amin'ilay valanjavaboary, misy teratany roa hatrany ao anatiny ( Bakas roa ary Bantous telo), mba ho voasolo tena ny rehetra ary ho afaka ny hisitraka ireo fahalalàna ananan'ny eo an-toerana momba ireo mponin'ny ala. Ao anatin'ny fanarahamaso biôlôjika dia mitàna toerana lehibe ireo teratany. Izy ireo no manome torohevitra momba ny fomba fihetsika manoloana ireo biby ao an'ala. Mihaino ny tontolo manodidina azy izy ireo ary amin'ny alàlan'ny fifindran-toerany dia afaka mamantatra izay rehetra biby sy ireo mpihaza ao. Ngawa Muna, mpiambina ala, manazava hoe « raha tsy eo ry zareo, tsy afaka ny hivezivezy samirery ao anaty ala izahay ary mety ho very any amina faritra sasantsasany. » Isaky ny maraina amin'ny 7h00, mandao ny toby ilay ekipa mba hamakivaky ireo faritra mazavazava ao an'ala sy hamory angondrakitra eny an-dàlana mitondra mankany amin'ny tilikambo fitiliana. Ny teknika fanarahamaso araham-pamoronana tahaka izany  (« Permanent Presence Biomonitoring System » ) dia ampiharina ao amin'ilay tilikambo ho fanarahana maso biôlôjika ireo biby. Hatramin'ny 2021,  nampiasaina izy io nandritra ny 25 hatramin'ny 30 andro teo ho eo, raha 15 andro isambolana monja tamin'ny 2017, rehefa teraka izy io taorian'ny fiantombohana nanahirana, indrindra ny tsy fahampian'ny fitaovana, ary ireo teratany sy ireo vondrom-piarahamonina avy ao an-toerana naniry handray anjara tamin'ilay tetikasa. Rene Meigari, mpanampy ao amin'ilay valanjavaboary, manazava hoe: « Arahana maso ao anatina toerana mazavazava miisa telo ireo biby, amin'ny alàlan'ny fanarahamaso mivantana, sy tsy mivantana amin'ny fampiasàna ireo fandrika fakantsary. Tarika roa no mifanolo mba hiantohana fa voahangona sy voafakafaka isambolana ireo angondrakitra. » Araka ny lazain'i Meigari, mamonjy ireo toerana mazavazava ao an'ala ireo biby mba hisakafo sy hiteraka. Ao anatin'ilay tilikambo fanarahamaso, raketin'ireo mpikambana ao amin'ny tarika ny ora nahatongavan'ireo biby, ny karazany ary ny fombafombany. Satria tsy ny biby rehetra no tsy maintsy manatona ireo faritra mazavazava, araka izany dia azo atao ny mamantatra an-dry zareo amin'ny alàlan'ny hiakany, na manara-maso an-dry zareo amin'ny alàlan'ireo fandrika fankantsary. Ampian'i Meigari hoe : As a zone with a high concentration of animals, it is tempting to poachers; keeping the zone secured through constant presence monitoring contributes to deterring poachers and to the growth or stabilization of wildlife. There has been a noticeable drop in poaching and a gradual increase in the frequency of wildlife visits to the clearings, as evidenced by data from bio-monitoring and surveillance analyzed from firsthand observations and imagery from camera traps Ny fivangongoan'ireo biby amin'io faritra io no manintona ireo mpihaza; ny fiarovana ny valanjavaboary amin'ny fametrahana fanarahamaso henjana dia manampy amin'ny fandresena lahatra azy ireny tsy ho avy, ary mandray anjara amin'ny fitomboana sy ny fifandanjan'ny biby miaina anaty ala. Somary nidina ny fihazàna ary nitombo tsikelikely ny fahatetehan'ny fahatongavan'ireo biby mamonjy ireny faritra mazavazava ireny, araka ny hita ao anatin'ny famakafakàna ireo angondrakitra vokatry ny fanarahamaso biôlôjika sy ny fanarahamaso ekôlôjika voaangona nandritra ireo fitiliana mivantana sy ny saripika azon'ireo fankantsary fandrika. Hoy i Meigari, teo anelanelan'ny 2017 sy 2021, ny isan'ireo bibidia tonga mitsidika an'i Boumba Bek dia tafakatra ho 10 402 raha 8 562 izany taloha, fitomboana milaza fa mahatsiaro ho voaaro ry zareo eo amin'ilay toerana : « Ny 2017 hatramin'ny 2021, tena nihena be ny fihazàna sy ny asa hafa tsy araka ny lalàna nataon'olombelona, tranga 18  lasa 0. Ankehitriny, tsy misy porofon'ny fisian'ny asa tsy ara-dalàna ataon'olombelona ao anatiny na eny akaikin'ireo faritra mazavazava ao an'ala. » Hatramin'ny nandraisan-dry zareo anjara amin'ny fitahirizana ilay valanjavaboary, nihatsara ny asa fivelomana sy ny filaminantsaina ankapoben'ireo vahoaka baka sy bantou ; ankehitriny izy ireo dia manana loharanom-bola azo ianteherana izay mandresy lahatra an-dry zareo tsy hiditra amin'ny fihazàna. Araka ny voalazan'i Meigari, mihamaro ireo mponina mandray anjara amin'izao fotoana izao ao anatin'ilay fandaharanasa fanarahamaso biôlôjika ; 28 ry zareo tamin'ny 2017 raha 60 kosa ny 2021. Ireo tsindry mahazo ilay valanjavaboary Ny valanjavaboary nasiônaly Boumba Bek, izay mivelatra amina velarana 238 000 hektara ao anatin'ny faripiadidiana Yokadouma , Salapoumbé sy Mouloundou , dia manankarena bibidia toy ny elefanta, ombidia, leoparda, ragidro, babakoto ary karazana hafa. Ny fiarovana ireo toerana samihafa dia mitovy amin'ny fiarovana ireo karazam-biby isankarazany mivangongo ao, ary ny fisian'ireo mpiambina tontolo iainana dia mandresy lahatra ireo mpihaza tsy hiditra ao anatin'ilay valanjavaboary. Na izany aza, mbola mitoetra hatrany ny fanamby ho amin'ny fanitarana ireo fepetra ho any amin'ireo faritra mazavazava miisa 27 ambiny. Raha ny nambaran'i Meigari, raha nisy tarika napetraka tany amin'ireo faritra mazavazava 30, dia ho ny vala manontolo no rakotra an'ilay faritra arovana. Boumba Bek dia faritra iray arovana sy zara raha manana fitaovana ho entina manatontosa tsara ny asany. Hazavain'i Meigari  fa iharan-tsindry maro goavana ilay valanjavaboary noho ny tsy fahampian'ny famatsiambola ilaina mba hiarovana ny faritra manontolo : To get to the park from Yokadouma requires fuel, feeding, and finances for the team and their families. Also lacking, is material to track down poachers, camera traps and vehicles, GPS, and train eco-guards to be operational, build a better camp and this requires a lot of money. Raha avy any Yokadouma ka handeha ho any amin'ny valanjavaboary, mila solika, sakafo ary vola ireo mpikambana ao anatin'ny tarika sy ny fianakavian-dry zareo. Tsy ampy ny fitaovanay ho entina manenjika ireo mpihaza, tsy ampy ny fandrika, ny fiara sy ny GPS; tsy maintsy atao ihany koa ny manofana mpiambina tontolo iainana mba ho tena afaka miasa sy mametraka ireo toby. Ilàna vola be daholo izany rehetra izany. Tsy misy monina ny ilany atsimo amin'ilay valanjavaboary izay voafaritry ny renirano Bek, ary vokatr'izay dia tsy dia marefo loatra. Fitahiana ny fisian'ilay renirano, satria mampanalavitra ireo mpihaza izy. Saingy ny ilany avaratra dia akaiky kokoa ny vohitra, ary ao ny mponina no mihaza ho atao sakafo. Avoitran'i Meigari ihany koa ny filàna manampy isa ny mpiasa mba hahafahana mamaly ny fenitra napetraky ny Fikambanana Iraisampirenena ho Fiarovana ny Natiora (UICN) ho mpiambina iray isaky ny 5 hektara, nefa amin'izao fotoana izao, mpiambina iray miandraikitra 10 000 hektara. Ezahan'ny mpitantana ny manome famporisihana ny fifaneraserana amim-pirahalahiana amin'ireo vondrom-piarahamonina eny an-toerana amin'ny alàlan'ny fampidirana an-dry zareo ireny ho ao anatin'ireo hetsika heverina fa hahaliana an-dry zareo sy amin'ny fampisitrahana azy ireo an'ilay valanjavaboary. Ny hoavin'ny valanjavaboary Boumba Bek Ny valanjavaboary nasiônaly Boumba Bek, noforonina tamin'ny 2005 tamin'ny alàlan'ny didim-pitondrana navoakan'ny praiminisitra, dia mety ho afaka hiadiana amin'ny olan'ny fihazàna ao amin'ny faritra avaratra misy azy raha toa ny governemanta ka nivonona ny hampiasa vola tamin'ny resaka zahavoary (Ecotourism). Ankehitriny, Georges K. Azangue, tomponandraikitra avy amin'ny ministeran'ny Ala sy ny Biby, no sady mpitahiry  ny valanjavaboary Boumba Bek, dia miaro eo anoloan'ny governemnata ny tetikasa iray « fanorenana toeram-pivahinianana miaro tontolo iainana (écolodges) sy làlana hahafahan'ireo mpitsidika mijery ireo biby ao anatina toerana mahafinaritra. » Na efa voalahatra aza hoe hanorina làlana iray eo am-pidirana an'i Boumba Bek, amin'izao fotoana izao aloha dia ireo mpitrandraka ala no iarahan'ny mpitantana ny valanjavaboary miasa, ary koa ireo mpitantsoroka hafa, mba hanaovana ireo làlana efa misy ho azo izorana. Amin'ny maha-mpiara-miombona antoka ara-teknika azy, ny WWF no manohana ny valanjavaboary amin'ny alàlan'ny fanarahamaso ara-tontolo iainana sy ny ady amin'ny fihazàna. Ankoatra izay, ny governeamnta dia efa an-dàlana amin'ny fandrafetana fandaharanasa nasiônaly iray ho an'ireo faritra arovana ao Kamerona, ka isan'izany ny valanjavaboary Boumba Bek, araka ny nolazain'i Georges K. Azangue.
https://mg.globalvoices.org/2023/09/29/166156/
Mafanavay ny adihevitra ny zom-pirenena Frantsay an'i Andry Rajoelina eto Madagasikara
2023-09-29T07:40:22
Unknown
Andry Rajoelina, Pikantsary tao amin'ny fantsona YouTube de Tv5monde Info Eo am-panomanana fifidianana filoham-pirenena anaty adihevitry ny zom-pirenena roa an’ny Filohan’ny Repoblika teo aloha, Andry Rajoelina, i Madagasikara, amin'izao fotoana izao. Raha ny lalàna Malagasy tokoa, manafoana ho azy ny zom-pirenena Malagasy, ilaina amin’ny firotsahan-kofidiana ny fakana zom-pirenena hafa . Hifidy izay ho filoha vaovaon’ny Repoblikan’i Madagasikara ny Malagasy amin'ny 9 novambra 2023 . Roa volana latsaka mialoha izany fifidianana izany, mbola miteraka resabe eto amin’ny firenena, indrindra eo amin’ireo mpisehatra politika, ny resaka zom-pirenena roa ananan'i Andry Rajoelina, filoha mametra-pialana . Ny lalàmpanorenan'ny repoblika fahefatra eto Madagasikara no manery an'i Andry Rajoelina hametra-pialana amin'ny maha filoha azy raha hilatsaka hofidiana fanindroany. Hoy ny voalazan'ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana: (…)Le Président de la République en exercice qui se porte candidat aux élections Présidentielles démissionne de son poste soixante jours avant la date du scrutin Présidentiel(…) (…)Mametra-pialana amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika am-perinasa enimpolo andro mialoha ny datim-pifidianana Filoham-pirenena raha hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana Filoham-pirenena (…) Tokony hosoloin'i Herimanana Razafimahefa, filohan’ny Antenimierandoholona izy. Saingy tsy nety ity farany ity ary nankinina tamin'ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra ny fiadidiana ny repoblika. Tsy nankasitrahan'ny mpanohitra izany toe-javatra izany, ka miampanga an'i Andry Rajoelina ho te hanodikodina ny fifidianana izy ireo, araka ny fanazavan'ity lahatsary avy amin'ny Africanews ity: ​ Inona no lazain’ny lalàna malagasy? Raha ny marina, dia tsy mamela olona hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fananana zom-pirenena vahiny. Milaza ny andininy faha-42 malaza amin'ny didim-panjakana laharana faha-60 – 064 tamin'ny 22 Jolay 1960 fa: Perd la nationalité malgache, le Malgache majeur qui acquiert volontairement une nationalité étrangère. Very ny zom-pirenena Malagasy ho an’ izay olondehibe Malagasy naka an-tsitrapo zom-pirenena vahiny. Miampy ny andininy faha-46 amin’ny Lalàmpanorenana Malagasy milaza hoe : Tout candidat aux fonctions de Président de la République doit être de nationalité malagasy. Tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy avokoa izay kandidà ho Filohan’ny Repoblika. Mamaritra ihany koa ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana fa: Seul un citoyen de nationalité malgache peut se présenter à l'élection présidentielle. Ny olom-pirenena Malagasy ihany no afaka milatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nanomboka tamin'ny volana jona anefa, navoaka sy niparitaka tamin'ny tambajotra sosialy ny antontan-taratasy tamin'ny taona 2014 manamarina ny fizakàna zom-pirenena Frantsay an-dRajoelina. Nanjary loharanon’ny adihevitra miverimberina eo amin’ny fiainana ara-politika Malagasy ity vaovao mifandray amin’ny zom-pirenen’ny filoha ity. Manararaotra izany ireo mpiserasera, indrindra fa ireo mpanohitra sy mpitsikera ny fitondrana mba hiampangana ny lehiben'ny fanjakana amin'ny famadihan-tanindrazana avo lenta sy nanao “fahadisoam-pitondrantena” . Tamin'ny 17 jona, andro vitsivitsy taorian’ny famoahana ny zom-pirenena frantsay ny filoha, nizara tao amin’ny pejy Facebook -ny ny lahatsoratra navoakan'i Fanirisoa Ernaivo , mpahay lalàna, kandidà teo aloha tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara i Fernand Cello , mpanao gazety mpanao famotorana. Manazava ao amin'ny lahatsorany i Fanirisoa hoe: Torak’izany ihany koa ny lahatsary iray nivoaka tao amin’ny pejy Facebook-n’ny Rien ne va + (by Abdel en vrai) izay niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, lahatsary mametra-panontaniana ny amin’ny fihetsiky ny filoha malagasy teo aloha: Namadika ny vahoakany ve ny filoha Malagasy? Ity ny lahatsary : ​ Nandritra ny fandaharana manokana mivantana, telo herinandro taorian’ny nipoiran’ny resabe momba ny fahazoana ny zom-pirenena frantsay, niaiky ny filoha Malagasy fa tena nahazo ny “nationalisation” tamin’ny taona 2014 ho tombontsoan’ny zanany. Ao amin'ity lahatsoratra avy amin'ny media TRTAfrica ity, manazava i Andry Rajoelina hoe: Je n’étais plus au pouvoir à cette époque, et j’ai accepté cette démarche dans l’intérêt de mes enfants qui devaient poursuivre des études universitaires en France. Quel parent ne ferait pas tout pour ses enfants? Tsy teo amin’ny fitondrana intsony aho tamin’izany, ary nanaiky izany ho tombotsoan'ireo zanako izay hanohy ny fianarana eny amin’ny oniversite any Frantsa. Iza no ray aman-dreny tsy hanao ny zava-drehetra ho an'ny zanany? Nambarany fa zony ny hahazo zom-pirenena frantsay, satria nanana izany ny raibeny. Saingy nolavin'i Fanirisoa Ernaivo , sesitany ara-politika ary mpanohitra mafana fo ny fitondrana, izay manome ny heviny manokana eto, ao amin'ny pejiny Facebook ity fanambarana ity: Taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2009, naka ny zom-pirenena frantsay i Andry Raojelina mba tsy hohenjehana ara-pitsarana taorian'ilay fanonganam-panjakana mihosin-dra sy ireo afera sy letrezana natao nandritra ny Tetezamita. Tsy nandova tamin'ny rainy izy. Tsy tokony ho fialofan'ny jiolahy i Lafrantsa. Vokany, manao ny fomba rehetra ny mpanohitra hanakanana an’i Andry Rajoelina tsy hilatsaka hofidiana fanindroany. Fitoriana an'i Andry Rajoelina tsy nisy valiny mahafa-po Tsy voafetra amin’ny adihevitra ihany ny resaka zom-pirenena. Nametraka fitoriana noho ny “fisolokiana sy fampiasana hosoka, fitsikilovana sy fanohintohinana ny fiarovana ivelany ny Fanjakana” teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Malagasy ny Fikambanana ho an'ny lalàna sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara (ADM), tarihin’i Fanirisoa Ernaivo , mpitsoa-ponenana politika any Frantsa. Nampitain'ny fampahalalam-baovao Orange Actu Madagascar tao amin'ny pejy Facebook-ny ny vaovao: Pikantsarin'ny kaonty Facebookn'ny ‘ Orange Actu Madagascar Tamin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny gazety Le Monde , niampanga ny lehiben'ny fanjakana ho nikasa hanafina ny zom-pireneny Frantsay tamin'ny naha filoha azy, sy nandika lalàna tamin'ny firotsahany ho filoham-pirenena tamin'ny taona 2018 ny fikambanana. Fangatahana iray hafa koa no napetrak’i Fanirisoa Ernaivo teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) momba ny zom-pirenen’i Andry Rajoelina. Nolavin’ny HCC manontolo ny fangatahana. Tamin’ny didim-pitsarana 04-HCC/AR nivoaka ny 22 aogositra 2023 izay nozarain'ny haino aman-jery Taniko Madagascar , nanambara ireo mpitsara ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa:​ La Haute Cour Constitutionnelle n’est pas compétente pour dire et juger si Rajoelina Andry Nirina a perdu la nationalité malagasy. Tsy manana fahefana hilaza sy hitsara ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana raha very zom-pirenena malagasy i Rajoelina Andry Nirina. Faly tamin'ny fanapahan-kevitry ny HCC ireo mpanohana sy mpiaro ny fitondrana toa an'i Rinah Rakotomanga tamin'ny filazana tao amin'ny pejy Facebook-ny hoe: Na dia teo aza ny fikasana rehetra hanakanana ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina, dia mbola nirotsaka hofidiana fanindroany ihany izy. Noho izany dia nisy ireo fangatahana fanafoanana ny firotsahan’ny filoha Andry Rajoelina hofidiana filoham-pirenena napetrak'ireo kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena, noho izy manana zom-pirenena roa. Nambaran’ny HCC fa tsy azo ekena ireo fangatahana rehetra ireo tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana laharana faha-6. Resaka Madagasikara namoaka ny vaovao momba ny fitarainan'ireo kandidà nolavin'ny HCC: Amin’izao ankatoky ny fifidianana amin’ny volana novambra izao, mbola mihenjana hatrany ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Mampiasa hatrany ny fomba rehetra hanilihana an’i Andry Rajoelina amin’ny fifaninanana hiditra eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha , toeram-piasan'ny Filohan’i Madagasikara, ireo kandidà miisa 11 amin’ny fifidianana. Miezaka manetsika vahoaka hanao fihetsiketsehana ireo mpanohitra. Saingy mitombo ihany koa ny fisamborana . Mba hisorohana izay fihetsiketsehana, manao fisafoana tsy tapaka ao amin'ny kianjan'ny 13 mai , toerana manan-tantara eto amin’ny firenena izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny fihetsiketsehana ara-politika eto Madagasikara ny polisy.
https://mg.globalvoices.org/2023/09/25/166080/
Teboka itodihana: Inona no hovakiana hahatakarana ny adihevitra mialoha fifidianana eto Madagasikara
2023-09-25T17:13:40
Unknown
Pikantsary avy amin'ny YouTube channel Tv5monde. Fampiasana ara-drariny. Manovokovoka mankany amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy i Madagasikara , ka kinasa hatao amin'ny 9 Novambra ny fihodinana voalohany, arahin'ny fihodinana faharoa amin'ny 20 Desambra 2023. Mba hahazoana fahatakarana bebe kokoa ny maha zava-dehibe ity fifidianana ity, dia namorona torolalana kely ny Global Voices manasongadina ireo loharanom-baovao mendrika hodinihina mba hanarahana ny vaovao malagasy. Mamokatra vaovao amin’ny fiteny roa ny ankamaroan’ny haino vaky jery eto Madagasikara, dia ny teny malagasy sy ny teny frantsay, izay fiteny roa ofisialy eto amin’ny firenena. Tombanana ho 28 tapitrisa mahery ny mponina Malagasy, ary maherin’ny ampahefany no miteny frantsay. Samy haino aman-jerim-panjakana miasa eo ambany fiahian’ny tarika ORTM ny Televiziona Malagasy sy ny Radiom-pirenena Malagasy . Manolotra mivantana manerana ny firenena izy ireo, miaraka amin'ny vondrona ORTM ary hita ao amin'ny YouTube ihany koa. Ankoatra ireo fampahalalam-baovao lehibe ireo, dia manana anjara toerana lehibe amin'ny tontolon'ny haino vaky jery eto amin'ny nosy ny Sampan-draharahan'ny Gazety Malagasy . Miara-dalana amin'ny fampahalalam-baovaom-panjakana, ny tranokalam-baovao toa ny MadaTopInfo manolotra fitantarana feno momba ny vaovaom-pirenena amin'ny teny frantsay sy malagasy. Ankoatra izany, misy tranonkala amin'ny teny malagasy irery ihany, anisan'izany ny Newsmada , Madagate , and Infokmada . Ao amin'ny sehatra ankihy, Agoramada , sehatra iray natokana hanomezana vaovao ho an'ireo mpisera aterineto momba ny hirika nomerika eto Madagasikara, mamoaka tsy tapaka ny antontanisa sy ny fironana amin'ireo ireo s ehatra media sosialy malaza indrindra ao amin'ny firenena . Laplume indray sehatra iray hafa manokana amin'ny famoahana angon-drakitra sy antontanisa ilaina mifandraika amin'ny fampiasana media sosialy eto Madagasikara. Amin'ny fananana mpanjohy maherin'ny 250.000 ao amin'ny Facebook , manolotra fanangonam-baovao manerana ny firenena ny fahitalavitra tsy miankina Viva TV Madagascar .  Nalefa fahitalavitra tao amin'ny vaovaon'ny 6 septambra 2023 an-dry zareo ny fanambaràna ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina , filoha ankehitriny. Ny Media-Madagascar Investigate , sehatra amin'ny fiteny roa manana foibe any Canada, indray no misolo tena ny ampahany amin'ny zanaka ampielezana Malagasy ary manaparitaka vaovao sy fanankotrihana momba ny tontolo politika, toekarena, fanatanjahantena ary kolontsaina ao amin'ny firenena. Mihoatra ny sisin-taniny, nahasarika ny sain'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena maromaro amin'ny teny frantsay sy anglisy ny vaovao malagasy. Miavaka amin'izy ireo ny goavan'ny haino aman-jery frantsay TV5monde , France 24 , ary Radio France Internationale, sy ny fizarana amin'ny teny frantsay ny fantsona Africanews. Manampy izany, mandray anjara mavitrika amin'ny fanangonam-baovao an'i Madagasikara ihany koa ny sampana amin'ny teny frantsay ao amin'ny fampitam-baovao avy any Angletera, toa ny BBC Afrique sy Africa 24. Ny gazetiboky Afrique XXI ihany koa manome fitantarana tsy tapaka momba ireo hetsika eto Madagasikara. Voatombana tsy tapaka ny satan’i Madagasikara eo amin’ny fahalalahana maneho hevitra ary tafiditra ao anatin’ny filaharana isan-taona ataon’ny fikambanana iraisampirenena Reporters Sans Frontières. Amin'ity taona 2023 ity, laharana faha-101 amin'ny 180 ny firenena amin'io tondro io. Amin'ny vohikala Amin'ny taham-pidirana 11,9 isanjato monja dia mbola voafetra ihany ny fidirana aterineto eto Madagasikara. Na eo aza izany, misy ampahany amin'ny mponina tanora mavitrika amin'ny aterineto, indrindra amin'ny fampiasana sehatra toy ny Facebook sy Twitter . Ahafahan'ny mpisera  aterineto eto amin'ny firenena mifandray afa-karatsaka amin'ny sehatra ny fifanarahana eo amin'ny Facebook sy ny mpanome tolotra fifandraisan-davitra eto Madagasikara. Araka ny fampilaharana tamin'ny taona 2022 nataon'ny Digital Report momba ny fampiasana media sosialy eto Madagasikara, Facebook (mpikirakira 3,05 tapitrisa) sy Facebook Messenger (650,000) no sehatra media sosialy be mpikirakira indrindra ao amin'ny mponina. Manaraka azy ireo ny Instagram (147.400), Twitter (21.000) ary LinkedIn (250.000). Ampiasain’ny olom-pirenena malagasy ho sehatra iray ihany koa ny Facebook hanairana amin'ny olana mianjady amin'ny fireneny. Ny sasany amin'ireo feo misongadina sy mavitrika indrindra amin'io lafiny io dia ahitana olo-malaza toa an'i Marie Christina Kolo , izay mavitrika amin-kafanampo miaro ny zon'ny vehivavy sy ny resaka toetr'andro. Eo ihany koa i Andriavina Ratafika Andrianarivo , mpahay lalàna, mpamakafaka politika ary tanora mpikatroka amin’ny fampiroboroboana ny fitantanana mahomby sy mangarahara. Ankoatra izay, manome fanehoan-kevitra momba ny raharaham-pirenena malagasy avy any Paris, i Fanirisoa Ernaivo, mpahay lalàna sady kandidà ho filoham-pirenena teo aloha teto Madagasikara, izay fantatra amin'ny fahavitrihany sy ny fitsikerany ny fitondrana ankehitriny. Herinandro vitsy sisa no hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, raharaha roa no mibahan-toerana. Voalohany, ny fisamborana amin’ny resaka kolikoly an’i Romy Voos Andrianarisoa, tale kabinetran'ny filoha Malagasy. Faharoa, ny zom-pirenena roa no azon’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny taona 2014. Mitady hofidiana fanindroany ny filoha Rajoelina, izay mizaka ny zom-pirenena frantsay sy malagasy. Mifamatotra amin'ny andininy 42 amin'ny fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena malagasy ity olana ity, izay milaza fa: ‘Perd la nationalité malgache, le Malgache majeur qui acquiert volontairement une nationalité étrangère’ Nanary ny zom-pirenena malagasy ny malagasy iray ampy taona naka an-tsitrapo ny zom-pirenena vahiny. Mamaritra ny andininy faha-46 ao amin'ny Lalàmpanorenan'ny Repoblika fahefatra , izay napetraka hatramin'ny taona 2010,  fa: Article 46.- Tout candidat aux fonctions de Président de la République doit être de nationalité malagasy. Andininy 46 – Tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy izay kandidà ho Filohan’ny Repoblika. Noho izany, ara-teknika dia tsy manana zom-pirenena malagasy ny filoha ankehitriny ka tsy tokony ho afaka hirotsaka hofidiana. Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao dia efa miomana ny hangotraka ny dinika, indrindra eo amin’ny sehatra nomerika, izay mitazona ny fahalalahana sy ny fahasamihafana lehibe kokoa raha oharina amin’ny haino aman-jerim-panjakana malagasy.
https://mg.globalvoices.org/2023/09/26/166105/
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #06
2023-09-26T08:23:52
Unknown
Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ilay hira “Sapés comme jamais” an'i Maître Gims ao amin'ny YouTube . Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”,  asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, nefa koa ireo tsy afaka adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa tsy nasiana fandikàna sy matetika maka dika vaovao mihitsy. Azonareo atao ihany koa ny mahita ireo fizaràna teo aloha ao amin'ny : Les mots ont la parole (Fr.) izay efa nisy nadiaka ho amin'ny fiteny malagasy. Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay: Faire la nouba (Manao nouba) : ity fomba fiteny ity dia hilazàna ny hoe “manao fety”, na ao an-trano io na any amina toeram-pandihizana, anaty trano fisotroana na mandritra ny fankalazàna vanim-potoana firavoravoana iray. Ampiasaina indrindra ho entina mamaritra ny fiainan'ireo zatovo, mpianatra, ary matetika no heverina fa misy fandraisana alikaola sy fandihizana. Teny arabo alzeriàna ny hoe “nouba”, tononina hoe “nowba” izay ilazana ilay mozika lalaovina manoloana ireo olobe , ataon'ireo tafika manerana an'i Afrika Avaratra. Nampiasain'ny Global Voices Frantsay io fomba fiteny io tao anatina lahatsoratra iray tany amin'ny 2015 tany , ka tamin'izany no nanoratan'ilay bilaogera nasaina ny hoe: Azoko sary an-tsaina ny “nouba” ao Belleville, Barbès sy any amin'ireo toerrana fisakafoanana ao amin'ny boriborintany faha-17. Indro ohatra iray hafa ampiasàna ihany koa an'io teny io ao anatin'ny hira iray an’ ilay mpihira, Étienne Daho: Tsy hiteny izy, tsia tsy hiteny izy Hoe rehefa alina any anaty toeram-pandihizana Ny alina izy dia manao “nouba” izay hirainy ao anatin'ity lahatsary ity : Bienvenue (Tongasoa): amin'ny fiteny frantsay ao Québec, mandray dika iray fanampiny io voambolana io: midika hoe “ tsy olana / tsy misy fisaorana ” ho setrin'ny “misaotra”. Io dikanteny manokana io dia dika mivantana ho an'ilay fiteny anglisy hamaliana ny “thank you”, itenenana ny hoe “you're welcome” na “welcome” fotsiny izao. Sapologie : Ireo “sapeurs” sy “sapeuses” dia mihevitra fa zava-dehibe ny mitafy izay akanjo tsara tarehy, fitafy sy akanjo faran'izay marevaka; satria izany dia fomba iray hanehoana ny tena amin'ny alàlan'ny lamaody. Io fomba fiteny io dia nalaina avy amin'ny fanafohezanteny hoe “SAPE” (la Société des Ambianceurs et des Personnes Elégantes), ary manondro ny hoe  “sape” izay tany am-boalohany dia nidika “ akanjo, fitafy ” amin'ny teny frantsay Ny hoe “sape” ho an'ny afrikàna dia maneho hetsika iray ara-kolontsaina manana ny fiaviany avy ao Brazzaville, renivohitry ny Repoblikan'i Kôngô, tany amin'ny taona 1920 nandritra ny vanim-potoana fanjanahantany, izay nanomboka nahazo laza tany amin'ny taona 1960 tao Brazzaville, sy hatrany Kinshasa any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, eny amin'ny lafiny  ilany amin'ny renirano Kôngô. Marihana fa tany amin'ny taona 1970, ho mariky ny fandàvany ny imperialisma dia noràran'i Mobutu , mpitarika kôngôley, ny sasantsasany tamin'ireo fitafy noheverina ho an'ny Tandrefana. Kanefa, tamin'izany fotoana izany ihany, nanamafy ny toerany ny “sapologie” ary nifamatotra tamina endrika mozika rumba kôngôley, niaraka tamin'ireo mpiangaly mozika toa an-dry Papa Wemba izay nampahafantatra io fifangaroan'ny lamaody sy ny mozika kôngôley io teo amin'ny sehatra iraisampirenena. Izany no azo jerena sy henoina ao anatin'ity lahatsary ity: Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org
https://mg.globalvoices.org/2023/09/30/166109/
Fihanaky ny fanafihan'ny mpampihorohoro ao Sahel
2023-09-30T10:23:00
Unknown
Jihadista mpikomy tao anaty kamiao pickup tao Gao, Mali; Pikantsarin'ny fantsona YouTube de Tv5monde Info Azo azavaina amin'ny ankapobeny noho ny fialan'ireo mpiara-miombon'antoka ara-tafika no nampiverina ny herisetra ao amin'ny faritr'i  Sahel, indrindra ao Mali, Burkina Faso ary Niger, taorian'ny fifanolanana teo amin'ny governemanta mpanongam-panjakana tao amin'ireo firenena ireo sy ny fahefana tandrefana. Nanomboka tamin'ny taona 2020, nahitana fanonganam-panjakana maromaro tao Afrika Andrefana , ka ny enina tamin'ireo dia nitranga tao amin'ny faritr'i Sahel: Niger (2023) , tany Burkina Faso ( janoary 2022 sy septambra 2022 ), tany Ginea (2021) ary tany Mali ( 2020 sy 2021 ). Nesorina ny governemanta sivily nitondra ireo firenena ireo mba hanomezana sehatra ny governemanta miaramila mpanongam-panjakana ka ny fananamelohana ny fifanarahana ara-miaramila nanomboka tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany frantsay sy ny fitakiana ny fanesorana ny tafika Frantsay amin'ny faritaniny no fanapahan-kevitra voalohany nataony. Niorina tamin'ny fomba ofisialy tao Sahel ny tafika frantsay tamin'ny alàlan'ny Hetsika Serval natomboka tamin'ny volana Janoary 2013 mba hanampiana ny tafika Maliana hiady amin'ny firongatry ny vondrona mpikomy, mpampihorohoro ary Salafista mitaky fahaleovantena hiala amin'ny faritanin'i Maliana ao Azawad , any avaratry ny firenena. Nosoloina Hetsika Barkhane ny Serval avy eo tamin'ny taona 2014. Miitatra any ivelan'ny sisin-tanin'i Mali ary mandrakotra ny Sahel sy ny ampahany amin'ny Sahara ity farany ity. Mamela fahabangana ara-piarovana ao amin'ireo firenena Sahel ireo ny fialàn'ny tafika Frantsay amin'ny Operation Barkhane, avy any Mali mankany Niger amin'ny alàlan'i Burkina Faso. Mba hamenoana izany banga izany, nanangana fifandraisana tamin'i Rosia ny miaramila mpanongam-panjakana sasany tamin'ny fanonganam-panjakana ary nanasa ny vondrona miaramila Wagner mba hiantoka ny ampahany amin'ny paikady ara-piarovan-dry zareo, toy ny tranga any Mali sy any Burkina-Faso . Fiverenan'ny fanafihan'ny mpampihorohoro Tany am-boalohany, nampihena ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Sahel ary indrindra tany Mali ny fametrahana tafika frantsay tao amin'ny faritr'i Sahel, nandritra ny fotoana fohy. Izany no nohazavain'i Jonathan Guiffard , manam-pahaizana ao amin'ny Institut Montaigne tamin'ny famakafakana nataony: Barkhane: tsy fahombiazana, fahombiazana na fanombanana eo ho eo ihany : La lutte contre le terrorisme menée entre 2013 et 2022 a permis aux forces françaises, maliennes, nigériennes et burkinabè de mettre hors-de-combat les émirs des quatre katibats d’Al-Qaïda au Maghreb Islamique et plusieurs dizaines de leurs responsables opérationnels, les émirs d’ Al Mourabitoune et du Mouvement pour l'Unicité et le Jihad en Afrique de l'Ouest , un grand nombre de responsables d’ Ansar Eddine , trois des cinq émirs du Groupe de Soutien à l'Islam et aux Musulmans (…) Nataon'ny tafika frantsay, Maliana, Nizeriana ary Burkinabe tsy ho afa-mihetsika ny emiran'ny katibats efatra an'ny Al-Qaïda tao Maghreb Islamika sy ireo mpitarika hetsika tao anatiny, ry emir an'i Al Mourabitoune sy ny Hetsika ho amin'ny Firaisankina sy ny Jihad any Afrika Andrefana , manam-pahefana marobe ao amin'ny Ansar Eddine , telo amin'ireo emir dimy ao amin'ny Vondrona Mpanohana ny islamo sy Miozolomana (…) tamin'ny ady amin'ny fampihorohoroana natao teo anelanelan'ny taona 2013 sy 2022 Saingy amin'ny toe-javatra misy ankehitriny, singa telo no mifamatotra: ny fanonganam-panjakana nisesy, ny fialan'ireo mpiara-miombon'antoka ara-tafika ao Sahel ary ny firongatry ny vondrona mpikomy izay mahazo vahana indray ao Burkina Faso, Mali ary Niger. Mamparefo be ny faritr'i Sahel ny fanonganam-panjakana tamin'ny 26 Jolay 2023 tany Niger. Raha ny marina, dia vao avy nianjera ny fiarovana mafy iray, izay manasarotra ny toe-draharaham-piarovana satria lasa tany vaovao iharan'ny fandrahonana jihadista ny firenena. Talohan'ny fanonganana ny filoha voaongana, Mohamed Bazoum, niharan'ny fanafihan'ny mpampihorohoro tokoa i Niger. Saingy andro vitsy monja taorian'ny fanonganam-panjakana, nitombo tokoa ny fanafihana, araka ny asehon'ity tombana voalohany napetraky ny Filankevi-pirenena ho an'ny Fiarovana ny Tanindrazana (CNSP) tao amin'ny Radio France internationale (RFI) ity: Le 3 août, c'est un village près d'Anzourou, au nord-ouest de Niamey, à moins de 100 km de la frontière malienne, qui a été attaqué, faisant au moins 5 morts. Le lendemain, les villages de Wabila et Hondobon, près de Kokorou, ont subi le même sort : 12 personnes ont été tuées. La commune de Dessa a également fait l'objet d'une agression, et du bétail a été emporté. Le 9 août, à Bourkou Bourkou, proche de la zone aurifère de Samira, ce sont cinq gardes nationaux au moins qui ont été tués par « des bandits armés ». Tamin'ny 3 aogositra, tanàna iray akaikin'i Anzourou, avaratra andrefan'i Niamey, 100 km latsaka miala ny sisintany Maliana no nisy nanafika, ka nahafatesana olona 5 farafahakeliny. Ny ampitson'iny, niharan'ny fanafihana ihany koa ny tanànan'i Wabila sy Hondobon, akaikin'i Kokorou, ka olona 12 no maty. Niharan’ny herisetra ihany koa ny kaominina Dessa, ary lasan’ny olona ny biby fiompy. Tamin'ny 9 aogositra, tao Bourkou Bourkou, akaikin'ny faritra volamenan'i Samira, mpiambina nasionaly dimy farafahakeliny no matin'ny “jiolahy mitam-piadiana”. Tamin'ny 19 aogositra, izany hoe tapa-bolana taorian'ny fanonganam-panjakana, fanafihana sivy no voaisa ary mavesatra ny vokany tany amin'ny faritra samihafa ao amin'ny firenena. Niaritra fanafihana jihadista nanomboka tamin'ny taona 2015 i Burkina-Faso, na dia teo aza ny fisian'ny tafika frantsay tao amin'ny faritaniny nanomboka tamin'ny taona 2018. Ny fanonganam-panjakana miverimberina nitranga teto amin’ny firenena no nahatonga ny faharatsian'ny fitandroana ny filaminana . Noho izany, naneho ny fiafaran'ny fisian'ny tafika frantsay tao Burkina Faso tamin'ny fiandohan'ny taona 2023 ny fanonganam-panjakana farany nitondra ny Kapiteny Ibrahim Traoré teo amin'ny fitondrana. Niezaka niandraikitra ny fiarovam-pirenena ny governemanta vaovao ary nanatontosa fanafihana maromaro mba hiezaka hanafoana ny jihadista. Nahafahana nisambotra mpampihorohoro sasany ny iray tamin'ireo hetsika natao tamin'ny 16 Aprily 2023, araka ny asehon'ity sioka avy amin'ny media Africa 24 ity: 🇧🇫 #BurkinaFaso , les forces armées ont annoncé dimanche soir, le 16 avril 2023 avoir neutralisé au moins 70 “terroristes” lors de deux attaques contre deux positions de l'armée burkinabè et de ses supplétifs dans le nord et le centre-nord du pays. pic.twitter.com/dUybe8KMRU — #AFRICA24 (@AFRICA24TV) April 17, 2023 🇧🇫 #BurkinaFaso , nanambara ny tafika mitam-piadiana ny Alahady hariva 16 Aprily 2023, fa namono “mpampihorohoro” tsy latsaky ny 70 nandritra ny fanafihana indroa namelezana toerana roa an'ny tafika Burkinabè sy ireo mpanampy azy tany avaratra sy avaratra-afovoan'ny firenena. Natomboka ihany koa ny antso ho an’ireo olom-pirenena mirotsaka ho Mpilatsaka an-tsitrapo ho an’ny fiarovana ny tanindrazana – Volontaires pour la défense de la patrie (VDP) mba hampitomboana ny isan’ny mpiady sy hanohanana ny miaramila. Saingy tsy tonga araka ny nantenaina izany fepetra izany satria mbola iharan'ny fanafihan'ny mpampihorohoro ihany ny firenena. Araka ny filazan’ny gazety Le Monde , tamin’ny 18 Jolay, nisy fanafihana tany amin’ny toerana roa any andrefan’ny firenena ka nahafaty olona folo teo ho eo. Tamin'ny 6 Aogositra, nahafatesana mpivarotra manodidina ny roapolo ny fanafihana iray hafa tany Nohao , ao amin'ny faritra Afovoany Atsinanana manamorona an'i Togo. Araka ny tatitry ny Africanews , tamin'ny 4 Septambra, Burkinabe 53 (miaramila sy mpikambana ao amin'ny VDP) no maty tamin'ny fanafihana iray hafa: Miharatsy hatrany ny filaminana eto amin’ity firenena ity. Nihanjahanja loatra i Mali Sarotra kokoa ny toe-draharaha any Mali noho ny any an-kafa. Niatrika fanafihana mahery vaika nitaky ny fahaleovantena ho an'i Azawad ny firenena talohan'ny fametrahana ny tafika frantsay tamin'ny Hetsika Serval sy ny Mission multidimensionnelle intégrée des Nations unies pour la stabilisation au Mali (MINUSMA) tamin'ny taona 2013.. Nampirongatra ny fialàn’ny Frantsay sy ny fisintahan'ny Minusma tsikelikely izay nifarana tamin’ny 31 desambra 2023 ny fanonganam-panjakana nitranga teto amin’ny firenena. Nandritra izany fotoana izany, lasa lany andro ny fifanarahana fandriampahalemana nosoniavina tamin’ny taona 2015 teo amin’ny governemanta Maliana sy ireo vondrona mitam-piadiana satria nandray indray ny fitaovam-piadiana ireo vondrona mpikomy ny 7 septambra. Araka ny vaovaon'ny Radio France Internationale : Jeudi, deux attaques ont visé le camp militaire de Bamba (région de Gao) et un bateau qui naviguait dans le cercle de Rharous (région de Tombouctou). Vendredi, à Gao, c'est un camp de l'armée malienne et l'aéroport qui ont été pris pour cibles. Les attaques de jeudi ont fait au moins 64 morts. Ny alakamisy, fanafihana roa no nikendry ny toby miaramila Bamba (faritra Gao) sy ny sambo iray izay nandehandeha tao amin'ny faribolana Rharous (faritra Timbuktu). Ny zoma teo, tao Gao, toby miaramila Maliana iray sy ny seranam-piaramanidina no lasibatra. Nahafaty olona 64 farafahakeliny ny fanafihana ny alakamisy teo. Manazava amin'ny antsipiriany ny fanafihana tamin'ny 8 Septambra ity tatitry ny lahatsary Africanews ity: Tsikaritra fa ho an'ny mponina ao Sahel, tsy afaka miantoka ny fiarovana azy ireo ny governemanta: hatramin'ny nanombohan'ny fikomiana tao amin'ny faritra tamin'ny taona 2003 , olona an'aliny maro , anisan'izany ny ankizy , no maty ary olona roa tapitrisa mahery no nafindra toerana. Vao maika miharatsy ny toe-draharaha, araka ny tatitra tamin'ny taona 2023 nataon'ny Ivotoerana ho an'ny Toekarena sy ny Fandriampahalemana – Institute for Economics and Peace (IEP) momba ny fampihorohoroana maneran-tany : The Sahel region in sub-Saharan Africa is now the epicentre of terrorism, with the Sahel accounting for more terrorism deaths in 2022 than both South Asia and the Middle East and North Africa (MENA) combined. Deaths in the Sahel constituted 43 per cent of the global total in 2022, compared to just one per cent in 2007. Ny faritr'i Sahel any Afrika atsimon'i Sahara no ivon'ny fampihorohoroana ankehitriny, ary i Sahel no nahitana taham-pahafatesana be indrindra noho ny fampihorohoroana tamin'ny taona 2022 raha oharina amin'i Azia Atsimo sy Afovoany Atsinanana ary Afrika Avaratra (MENA). Nahatratra 43 isanjaton'ny fitambaran'ny maneran-tany tamin'ny taona 2022 ny taham-pahafatesana tany Sahel, raha 1 isan-jato monja tamin'ny taona 2007.
https://mg.globalvoices.org/2023/09/22/165927/
Gabon, fanokanana ny filoha vaovaon'ny tetezamita, ary famoahana ilay filoha voaongana
2023-09-22T05:56:24
Unknown
Brice Oligui Nguema , pikantsary an'ny YouTube -n'ny Africa 24 M ba hamoahana ny firenena anaty krizy t aorian'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 30 Aogositra 2023, izay nanonganana an'i Ali Bongo, filoham-pirenen'i Gabon teo aloha, dia niforona ny komitin'ny tetezamita tarihan'i Brice Oligui Nguema . Tamin'ny 4 Septambra 2023 dia notokanana sy nianiana i Brice Oligui Nguema amin'ny maha-filoha mitontana ny tetezamitan'ny Repoblika an'i Gabon azy. Tena akaiky ny fitondrana izy araka izany, satria mpikambana amin'ny fianakaviambe an'i Bongo avy amin'ny alalan'ny reniny izay anabavin’ i Omar Bongo filoha efa nodimandry, ary ny tenany ihany koa efa niasa teo anilan'i Omar sy Ali Bongo. Rehefa voatokana izy dia andraikiny ny fananganana ny governemantan'ny tetezamita sy miasa amin'ny famerenana ireo andrim-panjakan'ny Repoblika rava teo anelanelan'izay fotoana izay. Tao anatin'ny lahateniny voalohany nandritra ny fanokanana azy dia nanome toky ilay lehilahy vaovao matanjak'i Gabon ny hanomana fifidianana faran'izay haingana indrindra, hamerenana indray ny fahefana amin'ny sivily. Mirakitra ny lahateniny ity lahatsary teo amin'ny Africa 24 ity : Milaza ihany koa i Oligui Nguema fa maniry izy ny hiady amin'ny kolikoly izay fery nikiky ny firenena an-taonany maro. Araka ny voalazan'ny Actu Cameroun , nandritra ny tafatafa niarahana tamin'ireo tale jeneralin'ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ‘parapublic’ Gabone dia nampitandrina ireto farany ny filoha. Nandidy i Oligui fa : Tsy maintsy tonga mamerina vola sy manome fanazavana ao anatin'ny 48 ora ny Tale Jeneraly tsirairay avy izay ato anatin'ity efitrano ity izay mahafantatra fa nisavoritaka niaraka tamin'ny ankizy izy na naka mihoatra ny tokony ho izy, ianao ihany no tongava satria efa fantatray hoe iza ianao. Raha tsy mipoitra ao anatin'ny 48ora ao amin'ny sampan-draharaha (B2, DGR ou DGSS) ianao dia ho avy izahay haka anao ary ho takatrao ny fahasamihafana. Ali Bongo afaka mihetsika malalaka Kandidà amin'ny fe-potoam-piasàna fanintelony ho filohan'ny firenena na eo aza ny toe-pahasalamany marefo taorian'ny fahatapahan'ny lalandràny tamin'ny 2018, nosamborina i Ali Bongo taorian'ireo voka-pifidianana nifanolanana ary napetraka tamin'ny efitrano iray voaara-maso nandritra ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Toa nandaitra ny fifampiraharahana sy ny fanelanelanana nataon'i Faustin Archange Touadéra filohan'ny Repoblikan'i Centre-Afrique izay nahazo fahefana tamin ‘ny Communauté Économique des États de l’Afrique Centrale (CEEAC) mba handray anjara amin'ny fifampirsahana miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka Gaboney. Ny famotsorana an'i Ali Bongo tao amin'ny efitrano voaara-maso nisy azy no iray tamin'ireo vokatr'ity fanelanelanana ity. Tao anatin'ny fanambaràna iray nosoniavin'i Brice Oligui Nguema, navoaka teo amin'ny Gabon 24 sy naverin'ny VoxAfrica tao amin'ny Twitter dia nilaza ny Komitin'ny tetezamita sy ny Famerenana ireo Andrim-panjakana (CTRI), natsangan'ny miaramila mpanongam-panjakana fa : #Gabon : L'ex président Ali Bongo désormais libre de ses mouvements L'annonce a été faite par le porte-parole du Comité pour la CTRI. Le général Brice Oligui Nguema a décidé de relaxer, le président déchu pour des raisons de santé. #Gabon2023 #Voxafrica pic.twitter.com/rvU4KKAhKN — Voxafrica (@voxafrica) September 7, 2023 #Gabon : Malalaka amin'ny hetsika ataony rehetra manomboka izao ny filoha teo aloha Ali Bongo Ny mpitondra tenin'ny CTRI no nanao ny fanambaràna. Nanapa-kevitra ny hamotsotra ny filoha voaongana noho ny antony ara-pahasalamana ny Jeneraly Brice Oligui Nguema. #Gabon2023 #Voxafrica pic.twitter.com/rvU4KKAhKN — Voxafrica (@voxafrica) 7 Septambra 2023 Gabon : voaheloka sy naato tao amin'ny CEEAC ary ny Vondrona Afrikana Talohan'ny nandraisan'ireo miaramila fahefana dia nampiantrano ny Foiben ‘ny Communauté Économique des États de l’Afrique Centrale (CEEAC) i Gabon ka i Ali Bongo no filoha amperinasan'ny CEEAC. Nahatezitra ireo filoham-pirenena hafa ao Afrika Afovoany nivory tao amin'ny CEEAC ilay fanonganam-panjakana. Taorian'ny fanamelohana ny fanonganam-panjakana sy ny fitakiana ny fiverenana ny filaminana araka ny lalàm-panorenana dia nanapa-kevitra ny CEEAC tamin'io 4 Septambra io fa hampiato an'i Gabon tsy ho ao anatin'ireo rantsana rehetra ao amin'io fikambanana io. Nafindra niala an'i Libreville renivohitr'i Gabon ny foiben'ny CEEAC, nalefa any Malabo , renivohitr'i Ginea Ekoatoraly. Tsy nandalo fotsiny tao amin'ny tranonkala ity fanapahan-kevitra ity. N ampitaina t ao anaty Twitter ity vaovao ity, tahaka izay nolazain'ity ranty nataon'i Fenelon Massala ity, mpanao gazety ao amin'ny Financial Afrik . Les chefs d'État et de gouvernement de la Ceeac ont condamné le coup d'État au Gabon, suspendu le pays des instances, ordonné le transfert immédiat du siège de la Ceeac de Libreville à Malabo et donné un délai d’un an à la transition militaire pour organiser des élections pic.twitter.com/20s7AhtUNu — Fenelon MASSALA (@rfemassala) September 4, 2023 Nanameloka ny fanonganam-panjakana tao Gabon ireo filoham-panjakana sy governemanta ao amin'ny CEEAC, nampiato ny firenena tamin'ny manampahefana, nandidy ny famindràna tsy misy hatak'andro ny foiben'ny CEEAC tao Libreville ho any Malabo ary nanome fe-potoana herintaona ho an'ny tetezamita miaramila mba hikarakarana fifidianana pic.twitter.com/20s7AhtUNu — Fenelon MASSALA (@rfemassala) 4 Septambra 2023 Tamin'ny fivoriana tsy ara-potoana natao tamin'ny 4 Septambra tany Djibloho , tany Ginea Ekoatorialy dia nanendry an'i Teodoro Obiang Nguema Mbasogo , filohan'i Ginea Ekoatorialy ny fihaonamben'ireo Filoham-panjakana sy Governemantan'ilay fikmabanana mba hisolo an'i Ali Bongo eo amin'ny toeran'ny filohan'ny CEEAC. Ny Vondrona Afrikana ihany koa dia nanameloka ilay fanonganam-panjakana ary nampiato an'i Gabon tamin'ireo rantsana rehetra ary koa ny fandraisany anjara amin'ireo hetsika rehetra ataon'ny fikambanana. Teo amin'ny twitter, vehivavy Gaboney iray antsoina hoe Queen Don no nanesoeso ity fanapahankevitry ny UA ity : L’UA qui suspend le Gabon 🇬🇦 mais elle était incapable de lever le petit doigt lorsque le Gabon était dans un black-out depuis le 26 Août. Incroyable #FreeGabon — Queen Don🇬🇦✨ (@marinajoela) August 31, 2023 Naaton'ny UA i Gabon 🇬🇦 nefa tsy vitany akory na dia ny nanetsika ny rantsan-tanany fony tao anatin'ny haizina i Gabon nanomboka tamin'ny 26 aogositra. Tsy mampino #FreeGabon — Queen Don🇬🇦✨ (@marinajoela) 31 Aogositra 2023 Raha vao nanomboka ny asany ny CTRI, dia efa nampisalasala ireo mpanara-maso sy mpampiasa aterineto marobe sahady ny momba ny fahatsoram-pon'i Brice Oligui Nguema hiaro ny tombontsoan'i Gabon. Ho an'ireto farany, ny fihaonany niaraka tamin'ny masoivohon'i Frantsa ny omalin'ny fanokanana azy dia toa milaza ny fahavononany hiaro ny tombontsoan'i Frantsa ao Gabon. Tao anaty lahatsoratra iray an’ ny Panorama papers , nampitaina tamin'ny Twitter, ny mpanohitra sady kandidà mampalahelo tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2016, Jean Ping , dia maminavina hoe miasa ho an'ilay matanjaka mpanjanantany taloha ny filohan'ny tetezamita. Check out this article: Coup d'État | Gabon: Le général Brice Oligui Nguema est un pion de la France selon Jean Ping – https://t.co/yTad5f5gfL — Panorama Papers (@Panoramapapers) September 5, 2023 Jereo ity lahatsoratra ity : Fanonganam-panjakana ao Gabon : gadran'i Frantsa ny jeneraly Brice Oligui Nguema araka ny voalazan'i Jean Ping – https://t.co/yTad5f5gfL — Panorama Papers (@Panoramapapers) 5 Septambra 2023 Notohanan'ny mpampiasa Twitter hafa toa an'i Dr Kanga izay manoratra eo amin'ny kaontiny ity hevitr'i Jean Ping ity : Voici les gages faits à la France politiq par le nouveau pouvoir gabonais présidé par le putschiste, le général OLIGUI NGUEMA. Si l'on s'en tient à ces propos,le putschiste ramène de nouveau la France chassée au Gabon, on saisit alors l'adoubement par celle-ci du pouvoir gabonais https://t.co/qc9pH5FYGj — Dr KANGA (@AkassiKanga) September 5, 2023 Ireto ny fampanantenana natao an'i Frantsa pôlitikan'ny fitondrana Gaboney vaovao tarihan'ilay pustchiste, ny Jeneraly OLIGUI NGUEMA. Raha ireo teny ireo no tazonintsika dia haverin'ilay putschiste indray ilay Frantsa nohazaina tao Gabon, takatra avy amin'izany ny fanekena ny fahefana Gaboney nataon'i Frantsa. https://t.co/qc9pH5FYGj — Dr KANGA (@AkassiKanga) 5 Septambra 2023 Hanova lalina ny fifandraisana misy eo amin'i Paris sy Libreville ve i Brice Oligui Nguema ary mety hiaro ny tombontsoan'i Gabon ve izy tahaka izay efa nataon'ireo fitondrana putschistes tany Ginea, Burkina-Faso, Mali ary vao haingana tao Niger, sa ve fiovàna anatin'ny fitohizan-draharaha amin'ny fifandraisana Frantsa sy Gabon izany ?
https://mg.globalvoices.org/2023/09/22/166037/
Ao Ghana, tsy vitan'ireo vehivavy intsony ny mamahana ny zanany mandritra ilay enim-bolana voalohany
2023-09-22T05:17:38
Unknown
Vehivavy afrikàna iray mampinono ny zanany. Saripika an'i Younesse Bourrich , nampiasàna lisansa Wikimedia Commons, ( CC BY-SA 4.0 ). Raha teo am-pankalazàna ny Herinandron'ny fampinonoan-dreny izao tontolo izao, dia toa tsara ny manisy fiatoana kely mba hanombanana ny fandrosoan'i Ghana amin'ny resaka fampiroboroboana sy fanohanana ny fampinonoan-dreny. Ny 01 Aogositra, ny pejy Twitter Afrique an'ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo (PAM) dia namoaka lahatsary iray nahitàna an'i Mutinta Hambayi [ang.], reny sady mpahay momba ny sakafo avy ao amin'ny PAM, manipika ny hoe « ny dôlara tsirairay nampiasaina ho an'ny fampinonoan-dreny dia miteraka  vokatra ara-toekarena hatramin'ny 35 dôlara. » 🤱🏿 Supporting breastfeeding help mothers AND babies alike. @WFP provides nutrition training and supplements to mothers and their communities. Our nutritionist Mutinta Hambayi gives 5 THINGS you need to know about #breastfeeding ⬇️ pic.twitter.com/hRwlcT7czO — WFP Africa (@WFP_Africa) August 1, 2023 🤱🏿 Manampy ny reny sy ny zaza ny fampinonoana. Ny @WFP dia manome fiofanana sy fanampin-tsakafo ho an'ireo reny sy ny vondrom-piarahamonina misy azy ireny. Mizara ZAVATRA 5 tsara ho fantatra momba ny #fampinonoana ny mpahay sakafo avy ato aminay⬇️ pic.twitter.com/hRwlcT7czO — WFP Africa (@WFP_Africa) 01 Aogositra 2023 Araka ny nambaran'i Mutinha Hambayi sy loharano hafa azo itokiana, ny fampinonoana dia tena zavadehibe iankinan'ny aina tokoa ho an'ny zazakely sy ny reny. Iray amin'ireo tombontsoa lehibe azon'ny zaza avy amin'ny fampinonoana ny anjara toerany tsy azo ialàna mba hiantohana ny fahasalamàn-dry zareo sy ny fahavelomany. Rehefa minono ny zaza iray dia mahazo colostrum mandritra ny 72 ora voalohany niainany. Io singa io dia miasa ho toy ny ampinga fiarovana sy toy ny vaksiny, manome ny fiarovana tena ilain'ilay zaza. Ny fampianarana mialoha ny fampinonona dia mampihena betsaka ny ambam-pahafatesana mety hanjo ny zaza, hatramin'ny 44 isanjato. Ankoatra izay, ny fampinonoana dia mandray anjara amin'ny fampihenana ny mety ho fahatavezana, ny sohika, ireo aretina mpahazo ny fo sy lalandrà ary ny diabeta sokajy faharoa. Tombontsoa iray fanampiny ny hoe ireo zaza nampinonoina dia toa mamiratra kokoa any an-tsekoly, izay manasongadina fa ny fampinonoana dia toy ny fampiasambola amin'ny olombelona. Ho an'ireo reny, ankoatry ny hoe mamorona fifandraisana manokana eo amin'ny reny sy ny zanany, dia manome tombontsoa tsy azo tsinontsinoavina ny fampinonoana. Toy ny traikefa mampitony izy io ary manana ny fahafahana mampihena ireo ambana mety hisiana karazana homamiadana vitsivitsy. Araka ny ambaran'i Mutinha Hambayi, tsy fanapahankevitra tsotra fotsiny ny fampinonoan-dreny; io no iray amin'ireo petrabola tena fetsifetsy indrindra azon'ny firenena iray idirana mba hananganany ny firoboroboany amin'ny hoavy. Ankoatra ireo tombontsoa ara-toekarena, ny fampinonoana dia manamafy ny fahafaha-miaritry ny fianakaviana. Araka izany, tsy hoe zava-panao fotsiny ny miteny miaro ny fampinonoan-dreny tsy asiana fangarony; fa fomba iray io hanomezana tombondahiny ny fahasambarana mandritra ny fotoana maharitra sy hiantohana ny fitomboan'ireo taranaka fara sy dimby. Na eo aza ireo tombontsoa maro azo amin'ny fampinonoana, betsaka ireo Ganeàna vavy no misedra fahasahiranana goavana tsy ahafahany manohy mampinono mandritra ilay enimbolana, fe-potoana faran'izay kely andrasana aminy. Tafiditra anatin'ireny sakana ireny ny tsy fahazoany andro fitsaharana ampy sy sahaza, ny tsy fisian'ny toerana natao hampinonoana any amin'ny toerana fiasàny ary ny taridàlana tsy ampy eo amin'ny fanabeazana any amin'ireo hôpitaly. Tao anaty antsafa iray ho an'ny Global Voices, Ganeàna vavy telo, izay novàna ny anarany mba hiantohana ny tsy hahafantarana azy ireo – Mavis, Linda ary Bernice – no manome antsika torohay sarobidy momba ny zavatra niainan-dry zareo manokana. Linda, efapolo taona, manao asam-panjakana eny anivon'ny sampandraharaha misahana ny fonja ao Ghana, dia mahatsapa ny tombontsoa azo avy amin'ny fampinonoana: It aids the child's growth and strengthens bones, while preventing premature pregnancy for the mother. Manampy amin'ny fitomboan'ny zaza sy manamafy ny taolany izy io, no sady miaro ny reny amin'ny vohoka aloha loatra. Avy amin'ireo mpampivelona tao amin'ny hôpitalim-panjakana niterahany no nahazoany ny fahalalàny. Etsy ankilany indray, Bernice, miasa amin'ny sehatra tsy miankina, dia tety anaty tambajotra no nandraisany ireo torohay nilainy: I googled a lot. Going on YouTube to learn from other mothers. These were my main resources because I did not have older sisters or cousins who gave me first hand information. So for me, YouTube and Google were my friends. And then, I also had this menstrual app I was using, which was informing me about every stage of my pregnancy. So that also gave me some information. Nanao fikarohana betsaka tao amin'ny Google aho. Nandeha tao amin'ny Youtube mba hianatra avy amin'ireo reny hafa ihany koa. Ireny no tena loharano fototra ho ahy satria tsy mba nanana zoky vavy aho na mpiray tampo tsy omby kibo mba afaka ny hanoro ahy mivantana. Araka izany, ho ahy dia ny Google sy YouTube no namako. Ary avy eo, nanana fampiharana momba ny fadimbolana ihany koa aho nampiasaiko, izay nanome ahy ny dingana tsirairay momba ny fitondràko vohoka. Nanome ahy torohay maro ihany koa izany. Ambaran'i Bernice fa fony tany amin'ny hôpitaly dia tsy mba nahazo taridàlana na izay fanabeazana ilaina izy  : I wouldn’t say I was given that much education at the hospital. On the day I was discharged, one lady came and gave some brief information, so that gave me a fair idea but not in detail. I just had the idea that it was a good thing for her. And I realized that when I breastfed her, I realized the benefits because she wasn’t getting sick or having any challenges. Tsy hilaza aho hoe nahazo torohay betsaka tany amin'ny hôpitaly. Ny andro nivoahako, nisy ramatoa iray tonga avy any ary nanome ahy torohay fohifohy ; izay nanome hevitra somary azo lazaina ho nazavazava ihany, saingy tsy tamin'ny antsipirihany. Takatro fotsiny hoe zavatra nahatsara azy ilay izy. Ary rehefa nampinono aho vao tsapako ireo tombony tao anatiny; satria tsy narary na nanana olana hafa intsony izy. Asongadin'ireto vehivavy roa ireto ny toedraharaha manahirana mifamatotra amin'ny tsy fahampian'ny faharetan'ny fotoana fiatoana amin'ny asa, mahatonga ny fampinonoana ho sarotra. Telo volana fotsiny ny fitsaharana, tsy ho vita ilay fampinonoana mandritra ny enina volana. Manazava i Linda: My workplace provides three months of maternity leave, along with breastfeeding hours. I opt for breastfeeding hours, taking time from 12:30 to 1:00 p.m. to feed my baby. So during that period, from 12:30 to 1:00 p.m. I go to the house and breastfeed my baby. Some pump the breast milk down for the child, but there's a concern about the milk's hygiene if it's not handled properly by the caregiver. This could potentially expose the child to contaminated milk. As for me, I've never expressed breast milk for my babies. On the other hand, not every mother lives close to their workplace like I do, so many may not be able to afford going home to feed their child. And some may not also be able to afford a nanny. So because of that some mothers stop breastfeeding early. But every child is supposed to be breastfed for at least 6 months. Telo volana aorian'ny fiterahana no fiatoana omen'ny toeram-piasàko, miampy ireo ora fampinonoana. Aleoko mifidy ilay ora fampinonoana, ary mampinono ny zanako rehefa amin'ny 12h30 hatramin'ny 01 ora tolakandro. Araka izany, mandritra io fotoana io, mody aho ary mampinono ny zanako. Misy ireo reny sasany mitery ny nonony homena ny zanany, saingy misy ambana izany amin'ny resaka fahadiovan'ilay nono raha toa ka tsy nokirakiraina tamim-pitandremana. Mety hitondra amin'ny fanomezana ronono voaloto ho an'ny zaza izany. Ho ahy kosa, tsy mbola nitery ny nonoko mihitsy aho ho an-janako. Etsy andaniny, tsy toa ahy mipetraka manodidina ny toerana isàny daholo akory ireo reny rehetra, araka izany dia marobe ireo tsy manana fahafahana handeha hody mba hampinono ny zanany. Ary ny sasany aza tsy manana fahafahana mihitsy hanakarama mpitaiza. Izany no mahatonga ny reny sasany mampitsahatra aloha be ny fampinonoana. Nefa ny zaza tsirairay dia tokony hoe minonon mandritra ny 6 volana raha kely indrindra. Ho an'ireo vehivavy hafa mipetraka lavitra ny toerana fiasàny, na tsy manana fahafahana hanakarama mpanampy hitaiza ny zaza, dia sarotra ireo safidy ireo. Bernice, izay tsy maintsy mitery ny nonony mandritra ny ora fiasàny dia miatrika sakantsakana fanampiny manelingelina ny famokarany eo amin'ny asany : In expressing, I needed to express into my sachet and put it in a fridge to keep it for a longer period till I get home. That was not available. And even a place to even express the milk was also another challenge because you have colleagues who are men. You can’t tell them that they should leave the office because you are coming to expose your breast. I ended up always going home with some hard knots in my boobs. It was so painful. So I was always rushing home so I could go and express. So I could not get a lot of work done within that period because I just couldn’t stay. Rehefa misintona ny nonoko aho, dia tsy maintsy ataoko ao anaty haronkely plastika, apetraka anaty vata fampangatsiahana mba ho azo tehirizina ela kokoa mandram-piveriko an-trano. Tena tsy vita. Mbola fanamby iray hafa ny mitady toerana hahafahako mitery ny nonoko satria lehilahy daholo ireo mpiara-miasa amiko. Tsy azo atao ny hiteny amin-dry zareo mba hivoaka ny birao satria hoe hamoaka ny nonoko aho. Tsy maintsy hoe nody foana aho miaraka amina fatotra mafy atao eo amin'ny nono. Tena naharary tokoa. Araka izany dia nihazakazaka nandeha nody foana aho mba hitery ny nonoko. Noho izany, tsy dia nahavita asa betsaka aho nandritra io vanim-potoana io satria tsy afaka fotsiny izao hijanona ao am-piasàna. Amin'ny lafiny tsara kokoa, mampahery ny mahamarika hoe azo atao ny mampinono imasom-bahoaka eny anivon'ny fiarahamonina ganeàna. Manamafy i Mavis: I don't believe breastfeeding is looked down upon in our culture anymore. Most individuals are understanding, and it's not considered a significant issue when mothers breastfeed their babies in public. However, as mothers, we may occasionally feel uneasy, particularly for first-time mothers. Yet, as time goes on, they become more accustomed to the practice. Tsy mino aho hoe ratsy foana ny fomba ijerena ny fampinonona ao anatin'ny fiarahamoninay. Mahatsapa izany ny ankamaroan'ny olona ary tsy noheverina ho olana goavana rehefa mampinono ny zanany eny imasom-bahoaka ny reny. Na izany aza, amin'ny maha-reny, dia indraindray tsy mahazo aina, indrindra ho an'ireo reny vao. Fa mandeha tsikelikely eny, zatra amin'ilay fomba fanao ihany ry zareo. Ny fomba fijery itovian'i Mavis, Linda ary i Bernice dia manome torohay sarobidy momba ny fandehan'ny eny anivon'ny toeram-piasàna, ny pôlitika momba ny fitsaharana avy miteraka ary ny rafitra fanohanana ireo reny mampinono. Antenain-dry zareo ny mba hanalavàna ilay fitsaharana avy miteraka, izay telo volana ho tonga enina volana. Hoy i Bérénice : In Ghana, an increase is necessary. Even if full salary isn't feasible, a partial payment could be considered. Something is better than the current three months, as we're meant to breastfeed for six months. Ao Ghana, ilaina ny fampitomboana. Na tsy afaka hieritreritra karama feno aza, mety ho azo sainina ny fandoavana ampahany. Zavatra tsara kokoa noho ilay telo volana misy amin'izao fotoana izao, satria tokony hampinono mandritra ny enina volana izahay. Nambarany ihany koa ny faniriany hisian'ny toerana  natokana ho fampinonoana eny amin'ireo toeram-piasàna sy ny hanomezan'ireo hôpitaly fanabeazana feno atolotra ho an'ireo reny vao.
https://mg.globalvoices.org/2023/09/12/165931/
Fahafatesana tovolahy miteraka adihevitra momba ny herisetran'ny pôlisy ao Môzambika
2023-09-12T06:19:13
Unknown
Ny 21 Jolay, niparitaka ny tati-baovao iray tao amin'ny WhatsApp sy Facebook nampiseho fa maty tany an'efitranokelin'ny Pôlisin'ny Repoblikan'i Môzambika (PRM) ny tovolahy iray. Maty andro roa taorian'ny nisamboran'ny PRM azy tao afovoan'i Maputo renivohitra i Massacar Abacar , mpandihy fantatra amin'ny hoe “Cebolinha”. Lazain'ny loharano sasany fa nodarohan'ny pôlisy izy, fitantaràna iray izay lavin'ireo manampahefana ao Môzambika. Raha izy handeha hamonjy trano fisotroana iny no nosamborina i Abacar, toa hoe hitaky ny handoavana ny trosan-drainy, fihetsika izay heverin'ny mpitantana ilay trano fisotroana ho fanalàm-baràka , ary ho setrin'izay dia niantsoany pôlisy mba hirotsaka an-tsehatra. Notaterin'ireo gazety tao an-toerana fa rehefa nandre ny fisamborana ity tovolahy ity ny renin'i Abacar dia nandeha nankany amin'ny biraon'ny pôlisy, saingy nosakanana tsy hahita an-janany. Quando cheguei na esquadra perguntei se o meu filho estava detido, responderam positivamente, disse que queria ver o meu filho e não me deixaram ver o meu filho… Rehefa tonga tany amin'ny biraon'ny pôlisy aho dia nanontany raha voatazona ao ny zanako, ‘eny’ hoy izy ireo. Niteny aho fa maniry ny hihaona aminy, fa tsy navelan-dry zareo hahita ny zanako aho… Toedraharaha niteraka onjam-piraisankina teny anivon'ireo Môzambikàna, izay nisarika ny saina hibanjina ny firongatry ny herisetran'ny pôlisy ao amin'ny firenena. Tao amin'ny X ( Twitter teo aloha), Valter Micas, tanora mpikatroka, dia niampanga ny filohan'ny Repoblika ho tsy niraharaha ilay raharaha fa naleony nandeha nandeha namita iraka tany ivelany: O Presidente da República decidiu ir passear em nome do Moçambique e deixou para trás, mais uma vez a saída de Bernardino Rafael do Comando da PRM. A ordem de 18 de Março continua sem rosto. A ordem para torturar Cebolinha, idem. E a PGR tmb n diz nada. Enfim. — Valter Micas (@tumbeleluane) July 25, 2023 Nanapaka hevitra ny handeha hitsangantsangana amin'ny anaran'i Môzambika ny filohan'ny Repoblika, ary namela indray ny fialàn'i  Bernardino Rafael tsy ho amin'ny fitantanana ny PRM. Mijanona ho tsy misy ilay didim-pitondràna tamin'ny 18 Martsa. Toy izany koa ny baiko hampijaliana an'i Cebolinha. Ary tsy manambara na inona na inona ihany koa ny biraon'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna. Ny 26 Jolay, ny Ivontoerana ho an'ny Demaokrasia sy ny Zon'Olombelona (CDD), fikambanana sivily iray, dia nikarakara fiaretantory ho fanomezam-boninahitra an'i Abacar, izay avy hatrany dia nosakanan'ny pôlisy. Vigília em homenagem ao Cebolinha, em Maputo. Local: 3a esquadra, Av. Mao Tse Tung, nr 586 🗓️ Hoje: 25 07 2023 ⏰ Hora: 16h30 pic.twitter.com/b7pkA4zvXx — CDD – Centro para Democracia e Direitos Humanos (@CDD_Moz) July 25, 2023 Fiaretantory ho fanomezam-boninahitra an'i Cebolinha, ao Maputo. Toerana: 3rd police station, Av. Mao Tse Tung, nr 586. 🗓️ Androany: 25 07 2023 // Time: 16.30 Polícia impede vigília em homenagem ao Cebolinha. pic.twitter.com/MSgPOP7vte — CDD – Centro para Democracia e Direitos Humanos (@CDD_Moz) July 25, 2023 Sakanan'ny pôlisy ny fiaretantory ho fanomezam-boninahitra an'i Cebolinha. Tao anaty fanambaràna iray , ny fikambanan'ireo Môzambikàna mpitantana trano fisotroana dia niantso ireo manampahefana mahefa mba hitazona ho tompon'andraikitra ireo manampahefana avy amin'ny pôlisy voarohirohy tamin'ny nahafaty ilay tovolahy ary hitondra fanonerana sy izay fanohanana ilain'ilay fianakaviana. É também fundamental que sejam tomadas medidas para garantir que tais incidentes não se repitam no futuro e que a polícia esteja em conformidade com as normas internacionais de direitos humanos. O direito à liberdade e vida é um dos pilares da democracia e deve ser respeitado pelas autoridades, que têm o dever de proteger e promover os direitos humanos dos cidadãos. Tena ilaina ihany koa ny fandraisana fepetra hiantohana ny tsy hiverenan'ny tranga tahaka izany intsony amin'ny hoavy, sy mba hanarahan'ny pôlisy ny fenitra irasam-pirenena momba ny zon'olombelona. Iray amin'ireo andy ijoroan'ny demaokrasia ny zo hanana fahalalahana, ary tsy maintsy hajain'ireo manampahefana, izay manana adidy hiaro sy hampiroborobo ny zon'olombelona ananan'ny olompirenena . Andro vitsy taorian'ilay tranga, nisy tranga iray hafa niseho, izay nisarika ny sain'ireo Môzambikàna. Tamin'ity indray mitoraka ity, dia noho ny fielezan'ny lahatsary iray ahitàna rangahy iray nofatoran'ny pôlisy avy ao an-damosin'ny fiara, avy eo nasaina nandady tamin'ny tany no sady nodarohan'io pôlisy io ihany . Tsy maty ilay rangahy fa nampihoron-koditra ilay lahatsary. Setriny, ary mbola tamin'ny alàlan'ny taleny indray koa, nangatahan'ny CDD ny hampitsaharana ny herisetran'ny pôlisy ao amin'ny firenena [votoaty lahatsary mahatohina]: Attempted Homicide by the Mozambique Police – PRM. This ia public crime perpetrated by those who have the legal mandate to protect #HumanRights . ⁦ @amnesty ⁩ ⁦ @zenaidamz ⁩ ⁦ @CDD_Moz ⁩ pic.twitter.com/FRQ3UOLmCA — Prof. Adriano Nuvunga (@adriano_nuvunga) July 29, 2023 Andrana famonoana olona nataon'ny pôlisin'i Môzambika – PRM. Heloka bevava imasombahoaka notanterahan'ireo notolorana fahefana araka ny lalàna hiaro ny #ZonOlombelona . ⁦ @amnesty ⁩ ⁦ @zenaidamz ⁩ ⁦ @CDD_Moz ⁩ pic.twitter.com/FRQ3UOLmCA — Prof. Adriano Nuvunga (@adriano_nuvunga) 29 Jolay 2023
https://mg.globalvoices.org/2023/09/21/165967/
Ireo zava-dehibe nisongadina tamin'ny vovonana ara-toetrandro voalohany teto Afrika notontosaina tao Kenya
2023-09-21T08:55:04
Unknown
Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube, ‘ African Climate Summit 2023: Opening Ceremony of the Ministerial Day – The Power of the Potential’ avy amin'ny African Union . Asehony eto ny Filoha Kenyana William Ruto nikabary nandritra ny lanonam-panokafana Vovonana ara-toetrandro Afrika 2023 notontosaina tao Nairobi, Kenya. Fampiasana ara-drariny. Nanomboka tamin'ny talata 4 septambra teo, tao amin’ny Foiben’ny Fivoriambe Iraisampirenena Kenyatta any Nairobi, nokarakarain’ny governemanta Kenyana sy ny Vondrona Afrikanina ny Vovonana Afrikana Ara-toetrandro (ACS). Nandritra ny vovonana dia nanaiky ireo mpitarika afrikanina nanatrika hitari-dalana itadiavana vahaolana lovainjafy amin'ny krizin'ny toetrandro. Ireo mpitarika nanatrika ny vovonana dia nahitana an'i Samia Suluhu (Tanzania), Paul Kagame (Rwanda), Évariste Ndayishimiye (Burundi), Filipe Nyusi (Mozambique), Salva Kiir (South Sudan), Sassou Nguesso (Congo), Mostafa Madbouly (Egypt), Nana Akufo-Addo (Ghana), Mohamed Younis Menfi (Libya), Julius Maada (Sierra Leone), Sahle-Work Zewde (Ethiopia), Brahim Ghali (Sahrawi), Azali Assoumani (Comoros), Ismaïl Omar Guelleh (Djibouti), Isaias Afwerki (Eritrea) ary Macky Sall (Senegal) miaraka amin'ny mpampiantrano, filohan'i Kenya William Ruto . Tsy vahiny amin'ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro i Afrika. Amin'ny hain-tany maharitra ka hatramin'ny toetr'andro mikorotandrotana mipaka amin'ny fifindran'ny zaza roa tapitrisa sy ny faharinganan'ny bibidia , mitolona amin'ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro ny kaontinanta. Raha ny marina, nandritra ny vovonana, nanamarika ny Filoha Ruto tamin'ny kabarim-panokafana fa na dia malefaka aza ny fandraisan'i Afrika anjara amin'ny fandotoana, dia iainany lalina ny fiantraikan'ny fiakaran'ny maripanan'ny tany. Nandritra ny vovonana, natolotry ny Afrobaromètre, fikambanam-pikarohana iray, ny valin'ny fitsapan-kevitra natao tany amin'ny firenena afrikanina 36 , izay nampiseho fa takin'ny ankamaroan'ny olom-pirenena ny hihetsehan'ny governemanta haingana manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro. Na izany aza, ny 52 isanjaton'ireo nohadihadiana ihany no nahafantatra ny fiovaovan'ny toetrandro, ary samy manana ny fahatsiarovan-tenany avy ny firenena tsirairay avy. Amin'ireo mahafantatra, mihevitra ny ankamaroany fa maharatsiratsy kokoa ny fiainany ny fiovaovan'ny toetr'andro, indrindra any Madagasikara, Lesotho, Maorisy, Malawi ary Bénin. Tsy azo lavina ny fahamehana amin'ny toe-draharaha, ary porofon’ny fahavononan’ireo firenena afrikanina hiatrika an’ity krizy ity ny vovonana Afrikana momba ny toetr’andro. Hevi-dehibe azo tamin'ny vovonana Nandritra ny vovonana, naneho ny fahavononany hitady vahaolana maharitra amin’ny krizin'ny toetr’andro ny mpitondra afrikanina. Navoitran'izy ireo fa ilaina i Afrika ho lohalaharana amin'ny vahaolana ara-toetr'andro ary nasongadina ny hagoavan'ny fandrombahana ny fotoana hanomezana vahaolana amin'ny fitomboana maitso sy ny fanesorana karbônina. Nilaza ny Prezidà Ruto: We cannot pursue climate action through insular, solitary policies. Global warming cannot be mitigated by air-conditioning our little pockets and corners of the world. Tsy afaka miolonolona sy manao politika samirery isika amin'ny hetsika ara-toetrandro. Tsy azo amaivanina hifanaraka amin'ny kely (zakan'ny) poketrantsika sy ny vazantany ny fiakaran’ny maripana ankapobeny. Nosoritany ny andraisan'i Afrika anjara asa anivo amin'ny fiatrehana ny fiovaovan'ny toetrandro ary nampirisihany ny hanaovana hetsika hentitra fa tsy ny hanao lalaon'ny fanomezan-tsiny. Asongadin'ity lahatsoratra avy amin'ny Africa Newsroom ity ny sasany amin'ireo fanambaràna nataon'ireo mpitarika raha nanamarika izy ireo fa mifandray akaiky ny fiovan'ny toetr'andro sy ny fivoaran'ny kaontinanta. Nilaza ny filoha Kiir ao Sodàna Atsimo fa tsy maintsy mampiasa ny angovo azo havaozina midadasika i Afrika mba hamadihana ny vokatry ny fiovan'ny toetrandro. Nanohana azy ny filohan'i Eritrea Afwerki izay nilaza fa tonga ny fotoana hanetsehan'i Afrika ny fananany manokana fa tsy hiantehitra amin'ny fanomezana. Nohamafisin’ireo mpitarika ihany koa ny fifandraisan’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fampandrosoana an’i Afrika ary ny filàna fiaraha-miasa amin’ireo firenena mandroso. Niantso hetsika mahery vaika izy ireo, niantso ny fanetsehana ireo ananan'i Afrika, sy fanamorana fidirana amin'ny famatsiam-bola iraisampirenena momba ny toetr'andro. Niantso hisian'ny rafitra ara-bola iraisampirenena araka ny hitsiny kokoa ihany koa ny filoha Ruto mba hamahana ny vesatry ny trosan'i Afrika. Noresahan'ny mpanatrika ihany koa ny filana fanovam-pombam-pitenenana amin'ny famatsiam-bola ho an'ny fiovan'ny toetrandro maneran-tany sy ny famoahana ny tetipanoron'ny hydrogène maitso sy ny tondrozotra ho an'i Kenya . Fifanolanana tamin'ny vovonana Nasongadin'ny tatitry ny Euronews iray ny nanesoran'i Kenya vao haingana ny fandraràna ny fitrandrahana hazo amidy, ka niteraka ahiahy fiarovana tontolo iainana. Ary na eo aza ny ezaka ataon'i Kenya amin'ny angovo azo havaozina sy ny fandrarana ny harona plastika ampiasaina indray mandeha, dia mbola mifikitra ireo fanamby fanaraham-bolontany amin'ny toetr'andro. Araka ny tatitry ny BBC , nitarika fitomboan'ny loza ateraky ny fanafihan'ny lalomena sy ny voay ny fiakaran'ny haavon'ny rano ao amin'ny Farihin'i Baringo, Kenya izay vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro, mandrahona ny fivelomana sy ny filaminan'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana. Nametraka fitoriana ny governemanta Kenyana ireo mponina ao amin'ny Farihin'i Baringo noho ny tsy famalian'izy ireo ny olana ara-toetr'andro ary takiny fanonerana ara-bola tamin'ny fahaverezan'ny tany, toeram-pambolena sy fiparitahan'ny aretina avy amin'ny rano. Fanampin'izany, nanamarika ny tatitra iray nataon'ny AfricaFeeds fa maro ireo mpanentana Afrikana no nanohitra ny fomba fiasan'ny vovonana momba ny famatsiam-bolan'ny toetr'andro, nilazan-dry zareo fa arosony ny laharam-pahamehan'ny Tandrefana izay mahavoa ny kaontinanta. Nilaza i Mohamed Adow, talen'ny angovo ao amin'ny mpihevi-draharaha Power Shift Africa, ao amin'ny ranty X (Twitter taloha) hoe: David is right that Africa is blessed with a youthful population, amazing renewable resources and rich biodiversity. But trying to shackle Africa with failed carbon markets is just a false solution imposed by the Global North who are the real beneficiaries — Mohamed Adow (@mohadow) September 5, Marina ny tenin'i David fa i voatahy i Afrika manana mponina tanora, loharanon-karena mahavariana azo havaozina ary voaritontolo manankarena. Saingy vahaolana sandoka napetraky ny Tontolo Tavaratra Ankapobeny tena mahazo tombony amin'izany ny fiezahana hamatotra an'i Afrika amin'ny tsenan'ny karbaona tsy mahomby. Kihon-dalana lehibe amin'ny fanapahan-kevitra iraisan'ny firenena Afrikana hamahana ny fanamby goavan'ny fiovan'ny toetr'andro ny vovonana ara-toetrandro Afrikana voalohany. Toa niray hina ny mpitondra afrikanina tamin’ny fanoloran-tena ifampizarana hitondra vahaolana mateza na dia eo aza ny fifanolanana sy ny fanamby mbola mifikitra. Na dia mety ho feno sakantsakana aza ny lalana anoloana, dia manome fanantenana fa afaka ary tsy maintsy mitana anjara toerana fototra i Afrika amin'ny famahana ny krizin'ny toetr'andro manerantany ny tsoa-kevitra (hevi-dehibe) azo avy amin'ity vovonana ity.
https://mg.globalvoices.org/2023/09/12/165845/
Ireo firenena enina nahazo fanasàna ho isan'ny klioba BRICS
2023-09-12T12:00:46
Unknown
Lula da Silva filohan'i Brezila,  Xi Jinping filohan'i Shina,  Cyril Ramaphosa filohan'i Afrika Atsimo, Narendra Modi Praiminisitr'i India ary Sergey Lavrov Minisitry ny Raharaham-bahiny Rosiana  nandritra ny fihaonamben'ny BRICS 2023 tany Johannesburg, Afrika Atsimo, 22 Aogositra 2023. Sary an'ny VOVONAMBE faha-15 nataon'ny BRICS, avy ao amin'ny Wikimedia Commons ( Public Domain Mark 1.0 ) Ny Africa Feeds no namoaka voalohany ity tantara ity ary dika iray novelarina kokoa no averina avoaka ato amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana fiarahamiasa hifampizaràna votoaty. Etiopia sy Egipta dia nanatevin-daharana an'i Arabia Saodita, Iràna, Arzantina ary Emirà Arabo Mitambatra ho anisan'ireo firenena nasain'ny mpitarika ny vondrona BRICS hanjohy ny klioban'izy ireo, fahombiazana iray noderain'ny Praiminisitra Etiopiana : A great moment for #Ethiopia as the BRICS leaders endorse our entry into this group today. Ethiopia stands ready to cooperate with all for an inclusive and prosperous global order. pic.twitter.com/BPspm8C0jm — Abiy Ahmed Ali 🇪🇹 (@AbiyAhmedAli) August 24, 2023 Fotoana iray lehibe ho an'i #Etiopia satria ireo mpitarika ny vondrona BRICS no manohana ny fidiranay ho ao anatin'ity vondrona ity androany. Vonona i Etiopia ny hiara-hiasa amin'ny rehetra mba hisian'ny filaminana eran-tany mampiaty sy miroborobo pic.twitter.com/BPspm8C0jm — Abiy Ahmed Ali 🇪🇹 (@AbiyAhmedAli) 24 Aogositra 2023 Ny mpitondra tenin'ny Parlemanta Arabo, Adel bin Abdul Rahman Al-Assoumi, ihany koa dia nilaza tao anatin'ny fanambarana iray fa : Reactions to inviting Egypt to join BRICS economic group Speaker of the Arab Parliament, Adel bin Abdul Rahman Al-Assoumi, said in a statement: “The accession of three Arab countries to the ‘BRICS’ bloc, namely Egypt, the Kingdom of Saudi Arabia, and the UAE, confirms the bloc's… pic.twitter.com/dQEucpMm62 — Egypt Today Magazine (@EgyptTodayMag) August 24, 2023 Fihetseham-po tamin'ny fanasàna an'i Ejipta hiditra ho isan'ny vondrona ara-toekarena BRICS Ny mpitondra tenin'ny Parlemantera Arabo, Adel bin Abdul Rahman Al-Assoumi, dia niteny tao anatin'ny fanambarana iray fa : “Ny fidiran'ireo firenena Arabo telo ao anatin'ny vondrona “BRICS”, dia  i Ezipta, ny Fanjakan'i Arabia Saodita ary ny Emirà Arabo Mitambatra, dia manamafy ny toeran'ny vondrona… pic.twitter.com/dQEucpMm62 — Egypt Today Magazine (@EgyptTodayMag) 24 Aogositra 2023 Araka ny voalazan'ny vondrona BRICs , ity fanapahankevitra hanitatra ny vondrona ity dia hanome azy ny hery ilaina hiarovana ny Global South (ireo Firenana Tatsimo). Ny filohan'i Afrika Atsimo, Cyril Ramaphosa, izay nitarika ny fihaonamben'ireo mpitarika ny BRICS tany Johannesburg no nanao ny fanambarana. Nambaran'i Ramaphosa nandritra ny andro farany tamin'ny Fihaonambe faha-15 -n'ireo Lehibem-panjakana sy ny Governemanta tao Johannesburg, izay nanomboka tamin'ny Talata 22 Aogositra, fa “Miroso amin'ny dingana iray vaovao ny BRICS amin'ny tanjony ho famoronana tontolo iray miavaka amin'ny fahitsiana, ny rariny, ny fampiatiana ary ny firoboroboana.” Ny 1 Janoary 2024 no vinaniana ho tafiditra ôfisialy ho mpikambana ao anatin'ny BRICS ireo firenena vaovao mety ho mpikambana. Raha tafiditra ao anatin'ny fiombonana BRICS ireo firenena ireo dia hanokatra varavarana ho an'ireo firenena hafa liana ary maniry ny hiditra ho mpikambana. Samy nanao sarinteny momba ny mety hampidirana mpikambana fanampiny nandritra ireo dingana teo aloha na Ramaphosa na ny Filoha Breziliana Luiz Inácio Lula da Silva. “Manana marimaritra iraisana izahay mikasika ny dingana voalohany amin'ity zotran'ny fanitarana ity ary hanaraka eo ny dingana hafa,” hoy ny tenin'i Ramaphosa tamin'ireo mpanao gazety nandritra ilay fihaonana an-tampony. Tamin'ny 2009 no natsangana ny vondrona BRICS, daty iray izay nanombohan'i Rosia azy. Ny tanjona voalohany dia ny hanolotra sehatra iray hahafahan'ireo firenena mpikambana hanontany tena momba ny lamina erantany manjaka amin'izao, izay tena nanjakazakan'i Etazonia sy ireo hery Tandrefana. Tany Yekaterinburg, Rosia, tamin'ny 16 Jona 2009, no natao voalohany ny fihaonana an-tampony, ka i Brezila, Rosia, India ary i Shina no mpikambana nanorina azy. Taorian'ny nahatonga an'i Afrika Atsimo ho lasa mpikambana feno nandritra ny fivorian'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny BRIC tany New York, tamin'ny Septambra 2010 dia naverina indray ny anarana hoe vondrona BRIC (Brezila, Rosia, India, Shina, Afrika Atsimo). Rehefa atambatra, ny firenena BRICS no manome eo amin'ny 40 isan-jaton'ny mponina eran-tany sy ny ampahefatry ny harinkarena Faobe maneran-tany . Fomba fijery samihafa momba ilay fanitarana I Shina, mpisehatra iray malaza ao anatin'ny vondrona, dia mihevitra fa ny fidirana mpikambana midadasika kokoa dia hanome azy toerana manan-danja kokoa eo amin'ny raharaha maneran-tany. Raha toa kosa miara-mirona ao ambadik'ity fanapahan-kevitra fanitarana ity i Rosia sy Afrika Atsimo, mbola misalasala kosa i India sy Brezila noho ny ahiahy voasoritra ato amin'ity lahatsoratra ity. Tsara marihana fa maherin'ny 40 ireo firenena naneho ny fahalianany amin'ny fiarahana amin'ny BRICS, ary amin'ireny dia maherin'ny 20 no nangataka ôfisialy ny fidirany. Samy nilaza ny hetahetany hiditra avokoa ireo mpifaninana malaza toa an'i Irana, Arabia Saodita, Emirà Arabo Mitambatra, Arzantina, Alzeria, Bôlivia, Indônezia, Ejipta, Etiopia, Kioba, Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, Kaomôro, Gabon ary Kazakstana, tahaka izay nohamafisin'ireo manampahefana Afrikana Tatsimo. Noantitranterin'ny Praiminisitra Indiana, Narendra Modi, fa ny fanitarana ny vondrona dia tokony ho famantarana ho an'ny andry hafa eran-tany fa mety hihena ny lanjan'izy ireo, tamin'ny alalan'ny filazàna fa : “Ny fihitarana sy ny fihavaozan'ny BRICS ho maoderina dia hafatra iray izay ny andrim-panjakana rehetra maneran-tany no mila azy mba hamolavolana ny tenany hifanaraka amin'ny fiovaovan'ny fotoana.” Ny fivoaran'ny tontolon'ny BRICS dia manosoka hevitra stratejika mankany amin'ny fampiatiana sy ny maha-zava-dehibe azy ao anatin'ny lamina eran-tany iray miova tsy mijanona. Raha toa an-dàlana ny hiditra ao ireo mpikambana vaovao vonona ny hiara-dalana ary hitovy ny fomba fijery, hanova indray ny fihetsiketsehana iraisam-pirenena ve ny dian'ny fiovàna ataon'ny BRICS ?
https://mg.globalvoices.org/2023/09/04/165803/
Nandroba fahefana ny miaramila taorian'ny fifidianana nampiadi-hevitra tany Gabon
2023-09-04T06:01:25
Unknown
Miaramila manambara ny fandrobana fahefana. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube de Gabon24 Nandray ny fahefana ny miaramila any Gabon taorian'ny nandavany ny voka-pifidianana ankapobeny (filoham-pirenena, mpanao lalàna ary ny ben'ny tanàna) natao tamin'ny 26 aogositra 2023 ka namarana ny 55 taona nitondran'ny fianakaviana Bongo. Filoha nanomboka ny taona 1967 hatramin'ny taona 2009 i Bongo rainy, ary ny zanany lahy tamin'ny taona 2009 hatramin'ny taona 2023. Hatrany am-piandohana no efa nokarakaraina tao anatin'ny tontolon'ny fiampangana ny lalàna vaovao mifehy ny lalàm-pifidianana sy ny fepetra noraisina hampanjakàna ny hosoka sy ny fifidianana indray an'i Ali Bongo, kandidà ho amin'ny fe-potoana fahatelo. Nampahafantarina vao maraimben'ny 30 aogositra 2023 ny voka-pifidianana. Araka izany, araka ny filazan'ny Foibem-pifidianana Gaboney (CGE), ny filoha teo aloha Ali Bongo no ambara ho mpandresy amin'ny 64,27%-n'ny vato , raha Albert Ondo Ossa , kandidà amin'ny sehatra Alternance2023 , kosa no faharoa tamin'ny 30,77%. Tao amin'ny fantson'ny fahitalavi-panjakana Gabon 1ère nampitain'ny France 24 , Michel Stéphane Bonda, filohan'ny CGE, nanambara hoe: Ali Bongo a battu, dans un scrutin à un seul tour, son principal rival Albert Ondo Ossa, qui n'a recueilli que 30,77 % des voix, ainsi que 12 autres candidats qui n'ont récolté que des miettes. Au terme de la centralisation des résultats (…) est élu Bongo Ondimba Ali avec 293 919 voix soit 64,27 %”. Le taux de participation a été de 56,65 %. Resin’i Ali Bongo, tamin’ny latsa-bato fihodinana tokana, ny mpifanandrina aminy lehibe Albert Ondo Ossa, izay tsy nahazo afa-tsy 30,77% tamin’ny vato, ary koa ireo kandidà 12 hafa izay tsy nahazo afa-tsy potik'isa. Tamin'ny fiafaran'ny vokatra (…) dia voafidy i Bongo Ondimba Ali tamin'ny vato 293.919 na 64,27%. Fanafoanana ny fifidianana sy fandravana andrim-panjakana Talohan'ny nahafantaran'ny ankamaroan'ny Gaboney ireo voka-pifidianana mandany indray an'i Bongo amin'ny fomba ofisialy, nanafika ny tranon'ny CGE ireo miaramila nivory tao anatin'ny Komitin'ny Tetezamita sy ny Famerenana ny andrim-panjakana (CTRI), ka nanery an'i Bonda hanemotra ny fanambarana ny fandresen'i Bongo. Ao amin'ny fantsona Gabon 24 , manambara ny fanafoanana ny fifidianana, ny fandravana andrim-panjakana ary ny fanakatonana ny sisintany izy ireo: Nambaran’ireto miaramila ireto fa mandray ny andraikiny ho an'ny vahoaka izy ireo ary manao izany  mba hisorohana ny krizy tahaka ny tamin’ny taona 2016 taorian’ny nahavoafidy an’i Ali Bongo indray amin’ny fe-potoam-piasana faharoa. Nifanandrina tamin'i Jean Ping , mpanohitra i Ali Bongo tamin'izany ka nahafatesana olona 3 sy naratra 105 araka ny tarehimarika nomen'ny fanjakana ny herisetra taorian'ny fifidianana. Ny jeneraly Brice Clothaire Oligui Nguema, izay mitarika ny CTRI no lehilahy matanjaka vaovao ao amin'ny firenena, araka ny nambaran'ny fampahalalam-baovao LSI Africa : 🚨🇬🇦Le général Brice Clothaire Oligui Nguema, formé à l’académie royale militaire de Meknès au Maroc, est le nouvel homme fort du #Gabon . pic.twitter.com/eO4yvIkcpB — LSI AFRICA (@lsiafrica) August 30, 2023 Ny Jeneraly Brice Clothaire Oligui Nguema, niofana tao amin'ny Akademia Miaramila Royal ao Meknes any Maraoka, no lehilahy matanjaka vaovao ao #Gabon . Toa nahazo ny fanohanan'ny ampahany amin'ny mponina ny fanonganam-panjakana. Manamarika ny firavoravoana sy ny fanehoana hafaliana ny sasany amin'ireo mpisera Twitter: Les Gabonais sont en joie🇬🇦 #Gabon2023 pic.twitter.com/dqgikLLCeP — Lukeni (@Kemou_kongo) August 30, 2023 Faly ny Gaboney 🇬🇦 Mpanao gazety Gaboney iray nifandray tamin'ny Global Voices tao amin'ny WhatsApp saingy aleony tsy mitonona anarana, manazava: Je pense que le coup d’État a été soigneusement et minutieusement préparé. Nous avons constaté qu'il n'y a pas eu de contestations dans les rangs des corps habillés, ce qui veut dire qu'ils se sont mis d'accord avant d'agir. Ils dénoncent des fraudes et des résultats non conformes au désir de la population. Les militaires sensibilisent les populations à garder le calme. Quant aux opposants, ils sont gardés en sécurité. Heveriko fa nomanina tamim-pitandremana fatratra sy tamim-pilaminana ny fanonganam-panjakana. Tsikaritray fa tsy nisy fifandirana teo amin’ireo manam-boninahitra, izay midika fa nanaiky izy ireo talohan’ny nihetsehana. Miampanga ny hosoka sy ny vokatra tsy mifanaraka amin’ny fanirian’ny mponina izy ireo. Manaitra ny mponina ny miaramila mba ho tony. Ho an’ny mpifanandrina kosa dia narovana ry zareo. Raha nanambara ny fandravana ireo andrim-panjakana repoblikana ny CTRI, nisy fanambarana an-gazety iray hafa mitatitra momba ny fisamborana ireo mpisehatra maromaro ao amin'ireo akaikin'ny filoha. Onjam-pisamborana Tao amin'ny kaontiny YouTube, namoaka lahatsary mampiseho an'i Ali Bongo nosamborina sy nogadrain'ny miaramila amin'ny trano ambenana ny Agence France Presse . Tamin'ny sioka hafa avy amin'ilay mpilalao sarimihetsika, Jean-Pierre Ekanga , hita miangavy fanampiana i Ali Bongo: GABON : LE PRÉDISENT ÉLU-DECHU DONNE DE LA VOIX.. Je suis Ali Bongo Odimba, Président du Gabon. Je voudrais envoyer un message à tous nos amis à travers le monde. Je leur demande de faire du bruit, faire du bruit. Car ces gens m'ont arrêté … pic.twitter.com/S7ByhhBhn1 — Jean-Pierre EKANGA (@JJPJERRY) August 30, 2023 GABON: MANEHO HEVITRA NY FILOHA VOAFIDY-VOAHONGANA. Izaho dia Ali Bongo Odimba, Filohan'i Gabon. Te-handefa hafatra ho an'ny namantsika rehetra manerana izao tontolo izao aho. Mangataka amin'izy ireo aho mba hitabataba, hivazavaza. Satria nisambotra ahy ireo olona ireo… Nosamborina ihany koa ireo akaikin'ny filoha voaongana, hoy ity siokan'i Gilles , teratany Maliana monina ao Paris ity. 🇬🇦Ali Bongo, sa famille et ses docteurs sont en résidence surveillée. Ont été arrêtés : Noureddine Bongo Valentin Yann Ghislain Ngoulou Mohammed Ali Saliou Abdul Osseyni Jessy Ela Ekoga Steve Nzeko Djeko Siriak Vurandjami — Gilles-P.|L. (@PerleIrradiante) August 30, 2023 🇬🇦 Notazonina amin'ny trano ambenana i Ali Bongo, ny fianakaviany ary ny dokoterany. Nosamborina i: Noureddine Bongo Valentin Yann Ghislain Ngoulou Mohammed Ali Saliou Abdul Osseyni Jessy Ela Ekoga Steve Nzeko Djeko Siriak Vurandjami Manamafy ny lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny gazety Gaboney iray nifandray tamin'ny Bénin Intelligent : Ceux-ci ont été arrêtés pour haute trahison, détournement des deniers publics, faux et usage de faux, falsification de la signature du président de la République, trafic de drogue. Ils sont tous proches du président, travaillant à la présidence de la République. Nosamborina izy ireo noho ny famadihana tanindrazana fara-tampony, fanodinkodinam-bolam-panjakana, fisandohana sy fampiasana hosoka, fanodinkodinana ny sonian’ny filohan’ny Repoblika, fanondranana rongony. Akaiky ny filoha avokoa izy ireo, miasa eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Anisan'ny havan'i Bongo nosamborina i Noureddin Valentin Bongo zanak'i Ali Bongo, izay mizaka zom-pirenena roa Gaboney sy Frantsay, araka ny voalazan'ny BrazzaNews ao amin'ny kaontiny twitter: #Gabon : Arrestation du fils d’Ali BONGO . Les militaires ont arrêté Noureddin Valentin Bongo, pour “haute trahison”. Il est l’un des fils du président déchu. @NoureddinBV pic.twitter.com/jXdx4l7Tun — BrazzaNews (@brazzanews) August 30, 2023 #Gabon : Fisamborana ny zanak'i Ali BONGO. Nosamborin'ny miaramila noho ny “famadihana tanindrazana fara-tampony” i Noureddin Valentin Bongo. Anisan’ny zanaka lahin'ny filoha voaongana izy. Tsy misy fanamelohana Raha toa ka niteraka fanehoan-kevitra sy fanamelohana mahery vaika avy amin'ny andaniny sy ankilany eo anivon'ny fiarahamonina iraisam-pirenena ny fanonganam-panjakana farany teo tany amin'ireo firenena Afrikana miteny Frantsay ao amin'ny Vondrona ara-toekarena ao amin'ny firenena Afrikana Andrefana (CEDEAO-ECOWAS) toa an'i Burkina-Faso, Mali, Ginea ary Niger tato ho ato, dia tsy mbola nahazo fanamelohana kosa ity tranga voalohany ao amin'ny firenena miteny frantsay any Afrika Afovoany ity . Na izany aza, manangona fanehoan-kevitra iraisampirenena ny France 24 . Ny vaomieran’ny Vondrona Eoropeana sy i Shina ihany no naneho hevitra. Raha ny momba an'i Frantsa, milaza izy fa manara-maso akaiky ny zava-misy: Mahita fandresena vaovao ho an'ireo mpanohana an'i Afrika afaka tamin'ity fanonganam-panjakana ity ireo Pan-Afrikanista sy mpiaro ny fiandrianam-pirenena Afrikana, toa an'i Kemi Seba , filohan'ny ONG Urgences Panafricanistes. Manasa ilay lehilahy matanjaka vaovao hanaraka ny ohatry ny miaramila any Mali sy Burkina Faso i Kemi Seba. COUP D’ÉTAT AU GABON 🇬🇦 Le général et frère Brice Oligui Nguema, patron de la garde républicaine , est l’homme fort du coup d’Etat. Il sera sans aucun doute celui qui conduira la transition qui durera probablement entre 2 et 3 ans d’après nos sources . Nous l’encourageons à… pic.twitter.com/wwGV2EgFbw — Kemi Seba Officiel (@KemiSeba1) August 30, 2023 FANONGANAM-PANJAKANA AO GABON  🇬🇦 Ny jeneraly sady rahalahy Brice Oligui Nguema, lehiben'ny mpiambina ny Repoblika, no lehilahy matanjaka amin'ny fanonganam-panjakana. Tsy isalasalana fa izy no hitarika ny tetezamita izay mety haharitra 2 ka hatramin’ny 3 taona araka ny loharanom-baovao azonay. Mamporisika azy izahay… Pejy vaovao amin'ny fiainana ara-politikan'i Gabon no nivadika tamin'ity fandefasana fisotroan-dronono an-terisetra ny filohan'i Gabon teo aloha ity sy ny fiafaran'ny tarana-mpanjakana ara-politikan'ny fianakaviana Bongo. Ny fanontaniana mipetraka ankehitriny dia ny hoe afaka herinandro vitsy, hahavita hitantana, hitandro ny fandriampahalemana ara-tsosialy, ary hamaritra maodely amin'ny tetezamita ve ny CTRI eo am-piandrasana ny fifidianana vaovao.
https://mg.globalvoices.org/2023/09/05/163474/
Môzambika, miady ho an'ny zon'ny fikambanana ny fikambanan'ireo fiarahamonim-pirenena
2023-09-05T04:50:16
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2023) Ny fiarahamonim-pirenena ao Mozambika dia nanangana hetsi-panoherana iray atao “Ho fiarovana ny zon'ny Fahalalahan'ny Fikambanana ao Mozambika”. Sary an'i : Giovana Fleck/Global Voices Ao Mozambika, nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2022, ireo fikambanana anaty fiarahamonim-pirenena (OSC) dia manohitra ny volavolan-dalàna vaovao mikendry ny handrindra ny fanatontosana ny asa ataon'ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana. Tamin'ny Oktobra 2022, nalefa n'ny governemanta ao Mozambika tao amin'ny Parlemantera ilay volavolan -“dalàna mikasika ny “Tsy Fitadiavana Tombony”. Araka ny lazain'ny OSC dia tsy ara-dalàna ny fanomezana fahefana feno sy tafahoatra ho an'ny governemanta mba hankatoavany, hifehezana ny fomba fiasa ary hanafoanana fikambanana sy ny OSC; ny hametraka fepetra mitsabatsabaka sy fitakiana mihoa-pampana amin'ireo fikambanana sy ny mpikambana ao anatiny; ary ny hitanisa antony tsy mitombina toy ny “fampanarahan-dalàna, …fanarahamaso ny fomba fanao tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy…ary fanakànana ny famatsiambola ho an'ny asa fampihorohoroana….” mba haneriterena ny fahalalahan'ny fikambanana Tohanan'ireo fikambanana ny hoe io lalàna io dia mikendry ny hametra ny zo ho afaka hanangana fikambanana, mifanohitra amin'izay andraikitra andrasana amin'ny fanjakana mba hananganana tontolo iray ahafahana mampivelatra ny fisitrahana ireo zo fototra. Io dia manitsakitsaka ihany koa ny Lalàm-panorenan'ny Repoblika (andininy faha-52, 43 ary 78) ary ny andraikitry ny firenena voafaritr'ireo fepetra iraisam-pirenena sy isam-paritra momba ny zon'olombelona Niaro tena ny governemanta tamin'ny filàna mankato ilay lalàna ho fomba iray hiadiana amin'ny famatsiambola ny asa fampihorohoroana ao Cabo Delgado . Mba hanamafisana ny tolony, ireo OSC ao Môzambika dia namorona hetsi-panoherana iray antsoina hoe “Ho fiarovana ny zo sy ny fahalalahan'ny fikambanana ao Môzambika”. Izy io dia “hetsika iray iarahan'olontsotra sy fikambanana avy any avaratra hatrany atsimo, miray mba hiaro ny zo sy ny fahalalahana hanana fikambanana ao Môzambika”, zo izay kitikitihan'ilay volavolan-dalàna indray. Teo amin'ilay tranonkala noforonina ho an'ity tanjona ity dia namoaka hevitra marobe ireo fikambanana mba hanilihana ilay sosokevitra. Tao anatin'ny iray tamin'ireo hafatra lehibe, dia nolavin'izy ireo ilay lalàna noho ny antony hoe: A proposta de lei das organizações sem fins lucrativos, depositada na Assembleia de República em Outubro de 2022, pretende revogar a Lei das Associações (lei n° 8/91 de 14 de Julho), o instrumento que regula as Organizações Não Governamentais internacionais (decreto n. 55/98 de 13 de Outubro) e trazer uma nova designação por uma das suas características. A denominação ‘sem fins lucrativos’, não tem reconhecimento e garantia constitucional, pois no código civil e na constituição da República de Moçambique só estão previstas associações e organizações sociais. Não existe nenhuma razão para que a noção constitucional de associação se afaste da noção corrente do Direito Civil, ou seja, uma organização de pessoas (o que as distingue das fundações), sem fins lucrativos (o que as distingue das sociedades). Ilay tolodalàna momba ireo fikambanana tsy mikatsaka tombony ara-bola, napetraka eny amin'ny parlemanta tamin'ny Ôktôbra 2011, dia mikendry ny hanafoana ny lalàna momba ireo fikambanana (lalàna lah. 8/91 tamin'ny 14 Jolay), fitaovana iray andrindràna ireo fikambanana iraisampirenena tsy mitady tombony ara-bola (didy hitsivolana lah. 55/98 tamin'ny 13 Ôktôbra) ery hitondràna fomba famaritana vaovao ny iray amin'ireo toetra mampiavaka azy. Tsy manana fankatoavana sy fiantohana ao anaty lalam-panorenana ny famaritana hoe “tsy mitady tombony”, satria ao anatin'ny lalàna sivily sy ny lalam-panorenana ao amin'ny Repoblikan'i Môzambika irery ihany no misy ny hoe fikambanana sy fikambanana sôsialy.  Tsy misy antony tokony hihatahan'ny vala famaritana mahazatra omen'ny lalam-panorenana amin'ny vala famaritan'ny lalàna sivily, izany hoe fikambanan'olona (mampiavaka azy amin'ny hoe orina – Fondation ), tsy mitady tombony ara-bola (mampiavaka azy amin'ny hoe orinasa ). Ao amin'ny Facebook , ampitomboin'ireo fikambanana sivily ireo hafatra fanoherana an'ilay tolodalàna : Ankoatra ireo fanitsakitsahana hafa an'ireo fahalalahana fototra sy ireo fepetra tsy araka ny lalàm-panorenana, zavadehibe ny ahafantaranareo fa ny tolodalàna momba ireo fikambanana tsy mikatsaka tombony ara-bola dia mikendry ny hanome fahefana ho an'ny governemanta mba hahafahany manafoana ireo izay natolotry ny andininy faha-5 ao amin'ny lalàna amin'izao fotoana izao momba ireo fikambanana, amin'ny fakàna amin'ireo manampahefana ara-pitsaràna ny fahefan'izy ireo  hamono sy hanohitra ilay fandàvana tsy hisoratra anarana – ary koa hanafoana ireo fetram-potoana. Ary nesorina avokoa ireo andininy rehetra momba ny anjara andraikitry ny fahefàna ara-pitsaràna any anatin'ireo fikambanana sy ireo fikambanana nasiônaly. Hazavainay misimisy kokoa aminareo ny momba izany ao amin'ity hafatra ity, ary manasa anareo izahay hitsidika ity tranonkala ity mba hahazoana torohay bebe kokoa momba io tolodalàna io sy ny ambana rehetra entiny. Tsy misy ho antsika raha tsy misy isika! Mitombo ireo fihetsiketsehana tahaka izany ao amin'ny Twitter mba ho fomba iray hisarihana ny saina hanohitra ilay lalàna. Tonga avy amin'i Rafael Machalela ny marika voalohany, ilay Mozambikàna mpanao gazety sady mpikatroka Exigimos uma lei com dignidade constitucional pic.twitter.com/scsCUYIrDQ — Rafael Machalela 🇲🇿 (@rafaelmachalela) February 16, 2023 Izahay dia mitaky lalàna manana fahamendrehana araka ny lalàm-panorenana — Rafael Machalela 🇲🇿 (@rafaelmachalela)  16 Febroary 2023 A voz da maior em jeito de “barras” do Mc Chamboco Auscultação Parlamentar sobre a proposta da Lei de Organizações Sem Fins Lucrativos pic.twitter.com/oTg4pv3C1Q — Wilker Dias🇲🇿 (@wilkerDias13) February 16, 2023 Ny feon'ireo lehibe indrindra namonjy ny hazomeloka, nataon'i Mc Chamboco. Fakan-kevitra parlemantera momba ilay volavolan-Dalàna mahakasika ireo fikambanana tsy mampidi-bola — Wilker Dias🇲🇿 (@wilkerDias13) 16 Febroary 2023 Efa im-betsaka io lalàna io no nomelohin'ny fikambanana iraisam-pirenena maromaro, anisan'izany ny tale lefitry ny Human Rights Watch, Ashwanee Budoo-Scholtz, izay niteny tamin'ny 10 Febroary fa : Ireo Mozambikana manampahefana dia tsy tokony hampiasa ny ady amin'ny Al-Shabab ao an-toerana ho sahala amin'ny fialantsiny hamoretana ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena. Tokony hanaisotra haingana ao amin'ny Parlemanta ilay volavolan-dalàna mikasika ny fikambanana tsy mampidi-bola ny governemanta. Ny governemanta Mozambikana dia tokony hiantoka fa ny lalàna rehetra ao amin'ny firenena dia mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena sy isam-paritra. Na mbola tsy nandray fepetra mihitsy aza ny governemanta hamelezana vondrona tsy miankina iray, hisy fiantraikany lehibe eo amin'ny zo hanana fahalalahana maneho hevitra sy fikambanana ao amin'ny firenena ny fisian'ny lalàna toy izany. Nambara teny amin'ny Parlemantera fa alohan'ny volana Jona 2023 no hiadian-kevitra ary hankatoavina ilay volavolan-dalàna, saingy tsy azo antoka ny fanovàna azy noho ny hetsi-panoherana ataon'ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena.
https://mg.globalvoices.org/2023/09/07/165849/
Ogandey roa solombavam-bahoaka mpanohitra, navotsotra taorian'ny 17 volana nitazonana azy ireo
2023-09-07T04:53:17
Unknown
Pikantsary avy amina lahatsary Youtube misy an'ireo solombavam-bahoaka, Allan Ssewanyana (ankavia) sy Muhammad Ssegirinya (ankavanana) niseho tamin'ny alàlan'ny ‘vidéoconférence’ avy any am-ponjan'i Kigo nandritra ny fotoam-pitsaràna ho valin'ny fangatahan-dry zareo fanafahana arahana onitra. Solombavam-bahoaka ogandey roa, Allan Ssewanyana sy Muhammad Ssegirinya avy amin'ny antoko mpanohitra, National Unity Platform tarihan'ilay kintan'ny zavakanto ary lasa pôlitisiàna Bobi Wine, no navotsotra rehefa nandoa onitra , taorian'ny 17 volana nitazonana azy ireo noho ny fiampangana azy ho namono olona tao amin'ny distrikan'i  Masaka. Navotsotra rehefa avy nandoa onitra tamin'ny 21 Septambra 2021, i Ssewanyana sy Ssegirinya, izay nosamborina tamin'ny  7 Septambra 2021, volana efatra monja taorian'ny nidiran'izy ireo nandray ny asany, ary nosamborina indray raha iny teo am-pivoahana ny faritry ny fonja iny indrindra. Hatramin'ny 13 Febroary 2021, fotoana nankatoavana ny hamotsorana an-dry zareo tamin'ny farany, dia nandamoaka ny fikasan-dry zareo hahazo fanafahana amin'ny alàlan'ny fandoavana onitra. Notakiana tamin-dry zareo ny handoavany 5.400 dôlara isan'olona sy hanolotra ny pasipaorony ho an'ny fitsaràna mba hahazoana antoka fa hiverina hiatrika fitsarana ry zareo amin'ny fotoana ilàna azy. Tamin'ny 2021, olona 17 no voalaza fa namoy ny ainy tao amin'ny distrika afovoany tao Masaka, Ogandà. Isan'ireo olona noahiahiana sy nosamborina ireto solombavam-bahoaka roa ireto ary notazonina am-bolana marobe tsy nisy fitsaràna. Tsy azo antoka ny maha-isan'ny tomponandraikitra azy ireo, na raha toa fihetsika feno herisetra fotsiny ihany ny fisamborana an-dry zareo, toy ny tany aloha niampangàna an'ireo mpitarika pôlitika, toa an'i Bobi Wine sy Kizza Besigye,  ho mpamadika tanindrazana, mpanolana , nanao famoriam-bahoaka tsy nahazoana alàlana, ankoatra ireo fiampangana hafa, izay tsy nahazoana mihitsy fanapahankevitra hentitra teny anoloan'ny fitsaràna. Efa lasa zavatra mahazatra ny hoe samborina sy tazonina mandritra ny fotoana maharitra ireo mpitarika avy amin'ny fanoherana sy ireo mpikambana avy amin'ny mpanohitra, kanefa tsy asiana fitsaràna, nefa mandritra izany misy onjam-pamoretana vaovao indray mianjady amin'ilay firenena eo ambany fitarihan'ny filoha Yoweri Museveni, efa eo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1986.  Im-betsaka ireo mpitarika ny antoko mpanohitra, Bobi Wine sy Dr Kizza Besigye, no efa nosamborina . Nisy ihany koa ny tatitra fisiana trangam-pampijaliana ireo nosamborina sy nofonjaina tsy ara-dalàna, toy ny tranga tsy ela akory izay nanjo an'i Mwesigwa Eric, mpikatroka sy mpomba an'i Bobi Wine, izay nipoitra niaraka tamina fahamaizana natao tamina vy mahamay teo amin'ny tratrany. Nous sommes confrontés à ce que les hommes de main du général Museveni ont fait à notre camarade Mwesigwa Eric, que nous recherchons depuis deux semaines. Ils l'ont kidnappé & l'ont torturé demandant ce que Bobi Wine et NUP prévoient de faire pour« renverser le gouvernement». Quel groupe de criminels qu cœur froid!!! pic.twitter.com/DeWhQK9vOH — BOBI WINE (@HEBobiwine) 13 février 2023 Atrehantsika izao ny zavatra nataon'ireo tànan-kavanan'ny jeneraly Museveni tamin'ny namanay Mwesigwa Eric, izay efa tapabolana no nikarohanay azy. Nalain-dry zareo an-kery izy & nampijaliany hanontaniana izay zavatra kasain'i Bobi Wine sy ny NUP hatao mba « hanonganana ny governemanta». Vondron'olona mpanao heloka bevava tsy misy fo antra na kely aza!!! pic.twitter.com/DeWhQK9vOH — BOBI WINE (@HEBobiwine) 13 Febroary 2023 Tamin'ny toejavatra sasany, ny governemanta dia nampiasa ny tribonaly miaramila hanandramana hitsaràna sy hanagadràna sivily mandritra ny fotoana maharitra, tsy misy fitsaràna. Ny gazety ogandey Daily Monitor no nitatitra fa mba hiverenan'ny fahalalahan'ireo solombavam-bahoaka roa, ny mpitarika ny fanoherana ao anivon'ny antenimiera, Mathias Mpuuga, dia tsy maintsy nikarakara fivoriana niarahana tamin'ireo mpitarika ambony avy ao amin'ny governemanta: Loharanom-baovao ambony toerana no nilaza fa tamin'ny volana lasa teo,  niafara tamin'ny fihaonana antampon'ireo solombavam-bahoaka nampangaina sy ny avy amin'ny governemanta ireo fifampiraharahàna naharitra. Nilaza ireo akaiky an'ilay raharaha fa ananan'ny fanjakana ny vaovao manenjika ireo solombavam-bahoaka, Ssewanyana sy Ssegirinya, momba ny fifandraisan-dry zareo amin'ilay lazaina fa mpitsabo fo, manam-piaviana ogandey, teraka tany ivelany, izay toa hoe mpamatsy vola azy ireo. Nandritra ny nihazonana azy ireo, niharatsy ny toe-pahasalaman ‘ireto solombavam-bahoaka roa ireto, ary nangatahan-dry zareo hatrany ny hahazo famotsorana sandaina onitra mba hahafahany mahazo fitsaboana manokana. Nandritra ny fotoam-pitsaràna vonjimaika, hita tao anatin'ilay lahatsary “ visio conférence” avy any am-ponjan'i Kigo fa tsy salama i Ssewanyana. Tsy mitsahatra izy ny manankina ny lohany eo an-tsorok'i Ssegirinya, ilay namany. Fifampiraharahàna ho fanafahana Ao anatin'ilay tatitra ihany, tanisain'ny Daily Monitor ny mpitondra tenin'ny antenimiera nilaza fa ny filoha sy ny lefitra dia nirotsaka tamin'ireo fifampiraharahana izay nitondra nankamin'ny fiverenan'ny fahafahan'ireo roalahy mpanao lalàna: Nanambara i Chris Obore, talen'ny fifandraisana sy ny raharaham-bahoaka ao amin'ny antenimiera, fa na tsy nahafantatra momba ireo fivoriana voalaza aza izy, “hatrany am-piandohana, ny filoha sy ny lefiny dia nifampiresaka tamin'ny governemanta momba ny olan'ireo solombavam-bahoaka roalahy (Ssewanyana sy Ssegirinya) ». « Naleon'ny filoha sy ny lefiny niditra tamin'ny fifampiraharahàna, toy izay hiforitra amin'ny fanehoankevitry ny daholobe fotsiny », hoy izy, nampiany hoe : « nananan'ny fanjakàna olana ireto solombavam-bahoaka roa ireto, ary nambaran'ny filoha sy ny lefiny fa ara-drariny izany olana izany, saingy tsy fomba fitondra manome tombony ho fampielezankevitry ny mpanohitra no tokony hitantànana azy ireny. » Tao anaty lahatsary iray nozaraina tao amin'ny Twitter, avy amin'ny mpanao gazety Bahati Remmy, ny minisitry ny fitsaràna sady efa lehiben'ny Antoko Demaokraty avy amin'ny mpanohitra, Norbert Mao,  dia manamafy fa ny asany sy ny ezaka nataony dia niafara tamin'ny fanafahana ireo solombavam-bahoaka. Nohamasifiny fa nihaona tamin'ireo solombavam-bahoaka tany am-ponja, sy tamin'ny fianakavian'izy ireo izy. L'histoire des députés libérés sous caution a été dans les journaux comme d'habitude. Cependant, ce développement particulier semble s'être perdu dans le mélange. Le ministre de la Justice, Hon. @norbertmao dit qu'il a dû s'«engager »  d'une autre façon pour rendre justice ,confirmant que … https://t.co/R7fJrqjRQS pic.twitter.com/K8HGM3FiOK — Remmy Bahati (@BahatiRemmy) 15 février 2023 Toy ny efa mahazatra dia nambara an-gazety ny tantaran'ireo solombavam-bahoaka nafahana rehefa nandoa onitra. Na izany aza, toy ny very tany anaty fifanjevonjevoana tany ihany ity fivoaran-draharaha ity. Hon. @norbertmao, minisitry ny fitsaràna, dia tsy maintsy «nirotsaka» tamina fomba hafa mba hampiharana ny rariny, tamin'ny fanamafisana hoe … https://t.co/R7fJrqjRQS pic.twitter.com/K8HGM3FiOK — Remmy Bahati (@BahatiRemmy) 15 Febroary 2023 Taorian'ny namotsoran'ny tribonaly azy roalahy dia tonga tany am-ponja ny sekretera jeneralin'ny National Unity Platform ary niresaka tamin'ny mpanao gazety teo ivelan'ny fonjan'i Kigo ny alin'ny 13 Febroary 2023, nanamafy fa tsy nanana antoka mihitsy izy ny hosamborina indray rehefa nafahana. REGARDER: les leaders et sympathisants du @NUP_Ug campent devant les prisons de Kigo en attendant la libération de leurs députés, Ssegirinya et Ssewanyana, qui ont été libérés sous caution cet après-midi à Masaka. @HEBobiwine pic.twitter.com/tTul0Xpf8d — News 24/7 (@News247Ug) 15 février 2023 JEREO: Milasy manoloana ny fonja ao Kigo ireo mpitarika sy mpomba ny antoko @NUP_Ug miandry ny famotsorana ireo solombavam-bahoakany, Ssegirinya sy Ssewanyana, izay navotsotra rehefa avy nampandoavina vola ny tolakandro teo, tao  Masaka. @HEBobiwine pic.twitter.com/tTul0Xpf8d — News 24/7 (@News247Ug) 15 Febroary 2023 Taorian'ireo fanontanina momba ny fahanginany tany aloha, ny 16 Febroary ny filohan'ny antoko, Robert Kyagulanyi, fantatra amin'ny anarana hoe Bobi Wine, dia nanao fanambaràna , nanehoany ny fisaorany tamin'ny famotsorana ireo solombavam-bahoaka roa, ary ireo rehetra nitaky ny famotsorana an-dry zareo. Nilaza izy fa tsy niresaka tamin'izy ireo ary tsy nahafantatra, na kely aza,  momba ilay fifampiraharahàna. « Ny ijoroanay dia ny hoe tsy tokony hiangavy ny jeneraly Museveni isika vao hisitraka ny zo nomen'Andriamanitra antsika», hoy ny nosoratan'i Wine tao anatin'ilay fanambaràna. « Tsy hoe fotsiny mahamenatra, fa koa  mampihomehy ny sosokevitra hoe tsy maintsy mifampiraharaha amin'i Museveni mba hahazoana fahafahana notakalozana fandoavana onitra, izay tokony ho dingana manontolo ara-pitsaràna », hoy izy nanohy. Raha niseho tao amin'ny NBS Télévision,  Kiwanda Ssuubi minisitra ogandey fahiny, dia nanambara fa tsy nino izy hoe nisy fifanarahana nifanaovan'ny governemanta sy ireo mpitarika avy amin'ny fanoherana mba hamotsorana ireo mpanao lalàna. . @ssuubikiwanda : Je ne crois pas que l'accord a été fait pour libérer mes frères, Allan Ssewanyana et Muhammad Ssegirinya. Je crois que la loi a suivi son cours. #NBSBarometer #NBSUpdates pic.twitter.com/OMGBSZzMrl — NBS Télévision (@nbstv) 14 février 2023 . @ssuubikiwanda : Tsy mino aho hoe nisy fifanarahana vita mba hamotsorana ireo rahalahiko, Allan Ssewanyana sy Muhammad Ssegirinya. Mino aho fa nizotra tamin'ny làlany ny lalàna. #NBSBarometer #NBSUpdates pic.twitter.com/OMGBSZzMrl — NBS Télévision (@nbstv) 14 Febroary 2023 Tsy mbola nisy fanambaràna ôfisialy, na ny lahatsary, na ny  saripikan'ireo roalahy mpanao lalàna nafahana, satria tsy ampahibemaso no nanolorana an-dry zareo tamin'ny antokony sy ny fianakaviany, fa toa nentina namonjy izay tranon-kavany akaiky indrindra fotsiny. Voalaza fa toa naiditra hôpitaly i Ssewanyana, saingy amin'izao ora anoratana izao, tsy mbola misy fanazavana fanampiny momba izay misy an'i Ssegirinya .
https://mg.globalvoices.org/2023/08/28/165735/
Gabôna, firenena fakàn-tàhaka amin'ny fitrohana ny entona karbôna
2023-08-28T07:09:05
Unknown
Alan'i Gabôna. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube-n'ny Nat Geo France Miavaka amin'ireo firenena hafa ao Afrika sy eto ambonin'ny tany i Gabôna amin'ny resaka fikajiana sy fiarovana ny ala voajanahary, saingy afaka hitahiry an'izay zavabita izay ve ny hoavy ara-toekaren'ilay firenena? Manana sata tokana eto ambonin'ny tany ny Repoblikan'i Gabôna amin'ny resaka ady fanoherana ny fiovaovàn'ny toetrandro sy ny fikajiana ny tontolo iainana. Ala midadasika, eo amin'ny 88% amin'ny taniny , no mametraka io firenena ao Afrika afovoany io ho amin'ny toerana faharoa amin'ireo tahirina karbôna eto an-tany aorian'i Amazonie. Io sata maha-firenena iray ahitàna ny ankamaroan'ny taniny rakotra ala io dia vokatry ny fandraisana andraikitra voarindra tsara nataon'ny filoha teo aloha, Omar Bongo Ondimba (1935-2009 ), rain'ny filoha amperinasa eo amin'ny fitondrana nanomboka ny Ôktôbra 2009, Ali Bongo Ondimba . Tamin'izany fotoana izany, nanolo-tena i Omar Bongo Ondimba hanao an'i Gabôna ho firenena iray fitaratra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana . Gabôna maitso tena voahevitra tsara Ny firotsahan'i Gabôna hiady hanohitra ny fiovaovàn'ny toetrandro sy ny fikajiana ny tontolo iainana dia efa nanomboka tany amin'ny fandraisany anjara tamin'ny fihaonana an-tampony voalohany ho an'ny tany natao tamin'ny Jona 1972 tao Stockholm. Nanomboka teo, nisy ireo fandaharanasa sy tetikasa napetraka hanohanana io fahavononan'ny firenena io. Ilay lalàna tamin'ny 26 Aogositra 1993 , momba ny fiarovana sy fanatsaràna ny tontolo iainana dia manome lanja io fanolorantena ho fiarovana ny tontolo iainana io, ary manasazy izay rehetra tsy manaraka ny lalàna. Tamin'ny 2007, nisy fandaniana lalàna iray hafa mifandraika amin'ny fananganana vala nasiônaly ary manokana 11% amin'ny tany ao amin'ny firenena ho atao vala nasiônaly. Taorian'ny fodiamandrin'ilay filoha teo aloha, tamin'ny 2009, notohizan'ireo manampahefana gabôney izay làlana izay ka nahafahan'ny firenena ho ivon'ny fifantohantsain'ireo mpampiasa vola goavana sy ireo goavana tena mpandoto erantany. Araka izany, i Ali Bongo dia nanolo-tena hampivondrona ireo firenena hafa ao amin'ny tanibe manodidina ny olan'ny toetrandro. Tsy nisalasala izy nametraka ny fireneny ho ao anatin'ireny kaonferansa marobe momba ny toetrandro sy ny tontolo iainana ireny, natao nanomboka tamin'ny 2010. Ny pôlitika ara-tontolo iainana noraisin'ilay firenena dia nahazoany ihany koa ny toerana mendrika handray ny ” One forest summit ” (Fihaonana an-tampony) voalohany niarahana nikarakara tamin'i Frantsa tamin'ny Martsa 2023 tao Libreville , renivohitr'i Gabôna. Anatin'ity bitsika ity, ny Reflets Gabon , gazetiboky “ multimédia” izay mitatitra ireo vaovao momba an'i Gabôna dia manolotra tatitra kely momba ilay fihaonana an-tampony : [Reportage]- Co-organisé du 01 au 02 mars dernier par le Gabon et la France, le One Forest Summit a été l’occasion pour le Gabon d'évaluer les conséquences de l’industrialisation du secteur bois. Texte : Warren OKOLO Voix : Annie-paule EYUI ELLA Montage : Tanguy NZE #Gabon pic.twitter.com/ES71VxgDRe — Reflets Gabon (@RefletsGabon) March 8, 2023 [Fanadihadiana]- Niarahan'i Gabôna sy Frantsa nikarakara ny 01 sy 02 Martsa lasa teo, ny One Forest Summit dia fotoana iray ho an'i Gabôna hanombanany ireo fiantraikan'ny fanorenana indostria eo amin'ny sehatry ny hazo. Lahatsoratra: Warren OKOLO Feo: Annie-paule EYUI ELLA Fanambàrana: Tanguy NZE #Gabon pic.twitter.com/ES71VxgDRe — Reflets Gabon (@RefletsGabon) 8 Martsa 2023 Saigy tsy nankasitraka io fihaonana iraisampirenena io ireo rehetra mpisehatra avy amin'ny fiarahamonina sivily, isan'ireny i Marc Ona Essangui , mpiaro tontolo iainana sy mpanorina ny ONG “ Brainforest “, izay niampanga tao amin'ny TV5Monde ilay fihaonana an-tampony ho iray hafa fanampiny tsy mitondra zavatra betsaka, ary ireo sosokevitra, araka ny filazany, dia mety ho ampirimina fotsiny any anaty vata sarihana vantany vao vita ny fihaonana: Alors qu'Emmanuel Macron entame sa visite en Afrique centrale, le président français va participer au #Gabon au “One Forest Summit”, consacré à la sauvegarde de la forêt tropicale. Que faut-il en attendre ? Réponse du fondateur de l'ONG “Brainforest”, Marc Ona Essangui. pic.twitter.com/8bjC9Ouro7 — TV5MONDE Info (@TV5MONDEINFO) March 1, 2023 Raha nanomboka ny fitsidihany an'i Afrika Afovoany i Emmanuel Macron, dia handray anjara amin'ny fihaonana an-tampony “One Forest Summit” atao ao #Gabon , atokana ho an'ny fiarovana ny ala trôpikaly. Inona no tokony ho andrasana avy amin'izany? Valintenin'ny mpanorina ny ONG “Brainforest”, Marc Ona Essangui. pic.twitter.com/8bjC9Ouro7 — TV5MONDE Info (@TV5MONDEINFO) 1 Martsa 2023 Marihana ihany koa fa io fampivoarana ny ala ao Gabôna io dia manaja ny zo momba ny fananantany sy ny fepetram-piainan'ny vahoaka teratany miaina any anatin'ireny ala ireny. Ao Gabôna, ny ala dia toeram-ponenan ho ana foko sy vahoaka marobe, toy ny Pygmées sy ny hafa . Saingy ireo tombontsoa ara-tontolo iainana dia mety hitera-doza ho an'ireny vahoaka ireny. Eny tokoa, ny fanarahamaso mitombo sy ireo fandraràna sasantsasany ataon'ireo mpiambina ala izay hita foana any an'ala dia mety hanohintohina ny filaminan'ireo vahoaka teratany tsy mivelona afa-tsy amin'ny alàlan'ireo loharanon-karena sy vokatra voajanahary avy amin'ny ala. Gabôna miatrika olana maharitra Tonga amin'ny kihon-dàlana tsy azony ihodivirana izany i Gabôna amin'ny pôlitikany fikajiana ny ala. Eny tokoa, manomboka mandray onitra ilay firenena ho fiarovany ny alany, 17 tapitrisa dôlara amerikàna avy amin'ny Central African Forest Initiative (CAFI) , fandaharanasa iray tohan'ny Firenena Mikambana. Io fandaharanasa io, izay natombok'ireo andry samihafa ao amin'ny Firenena Mikambana, ny Programme Alimentaire Mondiale (PAM) sy ny Food and Agricultural Organization (FAO) miaraka amin'ny Banky Iraisampirenena, dia ivondronana firenena enina ao Afrika afovoany: ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, Gabôna, Ginea Ekoatôrialy, ny Repoblikan'i Kôngô, Kamerona, ary ny Repoblikan'i Centrafrique. Ny tanjona dia ny hanohana ireny firenena ireny hampihatra ny fifanarahana tao Parisy . Araka izany, ny CAFI dia mandrotsaka vola ho an'ireny firenena ireny, miainga amin'ny ezaka ataon-dry zareo hampihenana ny fandefasana entona manafàna ny tany ateraky ny fandripahana ala. Saingy mbola tsy ampy hanaingàna ny toekarem-pirenena sy hamahàna ny olan'ny tsy fisian'ny asa ho an'ny tanora ireny vola voarain'i Gabôna avy amin'ny CAFI ireny. Izay mihitsy, ny toekarena gabôney dia miantehitra indrindra indrindra amin'ny fitrandrahana solika, mahatonga ilay firenena ho laharana faha- 4 mpamokatra solika ao Afrika , ary amin'ireo sehatra hafa toy ny loharanon-karena ankibon'ny tany sy ny hazo. Nefa miaraka amin'ny faharitràn'ny fitrandrahana solika, amin'ny hoavy dia eritreretin'ireo manampahaefana gabôney ny fampidirana betsaka ny fitrandrahana ny volamena volontsôkôlà avy amin'ireny ala ireny. Resahan'ny gazety Jeune Afrique ao amin'ny kaontiny Twitter izany: Premier exportateur de #bois du continent, le #Gabon mise sur l’exploitation de sa forêt pour préparer l’après-pétrole. Tenus d’allier rentabilité et protection de l’ #environnement , les acteurs économiques du secteur font face à de grandes difficultés. https://t.co/wXwNO114Ue — Jeune Afrique (@jeune_afrique) January 27, 2023 Laharana voalohany amin'ny fanondranana #hazo ao amin'ny tanibe, andrandrain'i #Gabôna ny fitrandrahana ny alany hiomanana amin'ny aorian'ny fahalanian'ny solika. Voatery mampifamatotra ny fahazoana tombony sy ny fiarovana ny #TontoloIainana , miatrika olana goavana maro ireo mpisehatra ara-toekarena amin'io sehatra io. https://t.co/wXwNO114Ue — Jeune Afrique (@jeune_afrique) 27 Janoary 2023 Araka izany dia mety hanosika ireo manampahefana handinika ny pôlitikany momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fikajiana ny ala ireo fanamby ara-tsôsialy sy toekarena atrehan'i Gabôna. Tao anaty antsafa iray nataony ho an'ny La Tribune Afrique , ilay mpandalina ara-toekarena, Mays Mouissi , no manolotra ny fàfan'ireo fanamby sôsialy: (…) Mbola ambany ihany ny tahan'ny harinkarena faobe (PIB), anelanelan'ny 2 sy 3%. Ny tahan'ny tsy fanànana asa niakatra ho 32% raha 28% taloha nandritra ity fe-potoampiasana fito taona ity, raha ny tahan'ny fahantràna kosa lasa 34% raha 30% teo aloha. Na eo aza ireo fandrosoana vita teo amin'ny sehatry ny hazo, izay niakatra ho 3,9% tamin'ny 2022 ny fandraisany anjara amin'ny PIB raha 2,9% izany tamin'ny 2016, dia tena mbola miantehitra betsaka amin'ny vola ampidirin'ny solika ny toekarena gabôney izay tsy dia maro karazany loatra. Nikororosy ny fahafahana mahazo ireo tolotra fototra toy ny herinaratra sy rano, na ao an-drenivohitra aza izay indraindray miandry taona iray vao mahazo fitaovam-pandrefesana herinaratra (compteur).
https://mg.globalvoices.org/2023/09/07/165865/
Voina nahafatesana olona nandritra ny lanonam-panokafan'ny Lalaon'ny Nosy teto Madagasikara
2023-09-07T14:57:01
Unknown
Fango ofisialin'ny lalaon'ny nosy 2023. Lemur catta mpitondra fanambinana, biby mampiavaka an'i Madagasikara. Tranga tsy nampoizina nahafatesana olona no nanamarika ny fanombohan’ny lalaon’ny Nosy 2023 teto Madagasikara ary hilatsaka hofidiana indray ny Filoham-pirenena ankehitriny amin’ny fifidianana hatao amin’ny Novambra 2023. Raikitra ny fifanosehana tamin’ny lanonam-panokafana ny lalaon’ny Nosin'ny Ranomasimbe Indianina (JIOI) teto Madagasikara, izay nahafatesana olona 13 farafahakeliny ary naharatrana 80 teo amin’ny vavahadin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina teto Antananarivo renivohitra ny 25 aogositra lasa teo. Mahazaka olona mipetraka 40 260 ny kianjan’ny Barea Mahamasina, ary hita fa efa ho 50.000 ny olona afaka niditra tao anatin’ny kianja tamin'ny 25 aogositra teo. Tetsy an-danin’izay dia mbola nisy vahoaka marobe niandry teo ivelan’ny kianja nanantena ny hiditra. Indrisy anefa fa rehefa niezaka mafy niditra ity farany dia raikitra ny fifanosehana ka nahafatesana olona maro, tao ireo ankizy sy vehivavy bevohoka iray. Mampiseho ny fisehoan'ny fifanosehana ity lahatsary niparitaka be amin'ny tambajotra sosialy ity. Olom-pirenena iray tsy mitonona anarana mipetraka akaikin'ny kianja no naka ny lahatsary. Na dia teo aza izany voina izany, dia nitohy ny lanonana. Nangataka fahanginana segondra vitsy tamin’ny vahoaka anefa ny filoha malagasy Andry Rajoelina ho fanomezam-boninahitra ireo tra-boina alohan’ny nanaovany kabary fanokafana. Tsy mbola fantatra mazava ny niandohan’ny fifanosehana ary efa eo am-panaovana fanadihadiana lalina ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao hamantarana ny anton’izao voina izao sy ny tsy fahatomombanana amin’ny fepetram-piarovana nampiharina. Ny takarivan’ny tranga, tonga teny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra malagasy, Ntsay Christian , tsaboina ireo naratra. Noraisin'ny Fanjakana an-tanana manontolo ny saram-pitsaboana ireo naratra  ary nahazo fanampiana sy fanohanana avy amin’ny fanjakana ihany koa ny fianakavian’ireo niharam-boina. Taorian’iny voina iny, naneho ny alahelony amin’ny tambajotra sosialy ny Malagasy. Noho izany, nanoratra ao amin'ny pejiny Facebook ny mpisera aterineto iray, Jolla ofisialy : C'est trop dur Même une femmes enceinte est morte 🥹🥹🥹 des blessés 😭😢 J'ai mal au cœur 😭😭😭😢😢🥺🥺💔💔💔 https://www.facebook.com/ Tena mafy loatra Na dia vehivavy bevohoka aza dia maty 🥹🥹🥹 ary maro ny naratra 😭😢 Marary ny foko 😭😭😭😢😢🥺🥺💔💔💔 Fakàna vahana politika amin'ny fanehoan-kevitra anjotra Miomana amin’ny fifidianana filoham-pirenena i Madagasikara amin'ny 9 novambra (fihodinana voalohany) sy ny 20 desambra (fihodinana faharoa) 2023. Fifidianana izay ahitana an’i Andry Rajoelina , filoha amin'izao fotoana, sy ireo filoha teo aloha toa an’i Marc Ravalomanana (tamin’ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2009), Hery Rajaonarimampianina (tamin’ny taona 2014 ka hatramin’ny taona 2018) sy Siteny Randrianasoloniaiko , depiote ao amin'ny parlemanta malagasy sady filohan’ny federasiona malagasin’ny judo. Amin'izao toe-draharaha alohan'ny fifidianana izao dia nandray dika politika ny fifanosehana. Araka izany, namoaka tao amin'ny pejy Facebook-ny Hetsika Pro-Ravalomanana , pejy Facebook manohana ny Filohan'ny Repoblika teo aloha Marc Ravalomanana : Ny hafa indray manome tsiny ny vahoaka ho be kiry sy tsy mankatò ny toromarika avy amin’ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana. Toy izany ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitra ao amin’ny pejy Facebook Serasera Mada , pejy iray manohana ny filoha ankehitriny, Andry Nirina Rajoelina. Tsy fitandremana miverimberina mandritra ny lanonam-bahoaka lehibe Tsy vao izao no nisy fifanosehana nahafaty tahaka izao tetsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ao Antananarivo. Efa nisy fifanosehana nahafaty tamin’ ny 9 septambra 2018 nandritra ny lalaon’i Madagasikara sy Sénégal tao amin'ity kianja ity, ka nahafatesana olona iray ary naratra manodidina ny telopolo. Tamin'ny 26 jona 2019, nitrangan’ny loza indray teo amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina nandritra ny seho maimaimpoana nandritra ny fankalazana ny faha-59 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ka 15 no maty ary 75 no naratra . Etsy andanin'izany, voamarika ny tsy fahalavorariana mandritra ny lalao, ary niatrika olana fampiantranoana , fahazoana sakafo, fitaovana tsizarizary, ary fikorontanan'ny fitaterana ny atleta sasany. Ankoatra ireo lesoka tamin’ny fandaminana sy ny fepetram-piarovana dia nahitana taratra ny fahantrana eto Madagasikara ihany koa iny trangan-javatra nahatsiravina iny. Araka ny nambaran’i Jerison Razafimanantsoa, ​​sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny asa, ny asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy malagasy, tamin’ny volana mey 2022 dia 80% ny tahan’ny tsy fananan’asa raha toa ka tamin'ny taona 2021 no avo indrindra ny tahan'ny fahantrana eto amin’ny firenena izay tombanana ho eo amin’ny 81% eo ho eo. Ity lahatsary avy amin'ny Agence-France-Presse (AFP) ity no mampiseho ny halalin'ny fahantrana ao amin'ny firenena. “Si je dois voter, je voterai certainement pour les bacs à ordures, ce sont eux qui nous nourrissent” lance Claudine. Comme elle, beaucoup de Malgaches n'iront pas voter au 1er tour de la présidentielle à Madagascar, frappée par une extrême pauvreté https://t.co/wZzJtga1Wi #AFP pic.twitter.com/8VMiEY6JsN — Agence France-Presse (@afpfr) October 30, 2018 “Raha tsy maintsy hifidy aho dia hifidy ny dabam-pako, ireo no mamahana anay”, hoy i Claudine. Toa azy, maro ny Malagasy tsy hifidy amin'ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara, tratran'ny fahantrana lalina Naniry ny hanararaotra ity lalao ity ny Malagasy, izay efa leon'ny fahantrana sy ny fidangan’ny vidim-piainana , ahafahan’ny rehetra mianoka lanonam-pankalazana maimaim-poana, hanalana alahelo sy hanadino vetivety ny fahasahiranana amin’ny fiainana andavanandro. Sehatra isehon'ny atleta malagasy Na dia teo aza izany voina izany, nifarana tamim-pahombiazana ny lalao tamin'ny 3 septambra. Marihina fa ny COJI (Komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy) no nandray fanapahan-kevitra hangina iray minitra isaky ny fanombohan’ny fifaninanana ho fanomezam-boninahitra ireo niharan’ny fifanosehana nandritra ny lanonam-panokafana. Ho an’ity andian-dalao ity, nanjaka ireo atleta malagasy, araka ny porofoin’ity fafana ity : Saripikan'ny fafan'ny meday ao amin'ny tranonkalan'ny JIOI Show drone mampiseho ny fangon'ny lalaon'ny nosin'ny ranomasimbe indiana nandritra ny lanonampanokafana. Saripika nahazoana alalana Medaly 272 tokoa no azon-dry zareo, volamena 121, arahin’i Maorisy. Raha te hahita ny filaharana amin'ny antsipiriany momba ny medaly dia tsidiho fotsiny ny tranonkala ofisialin'ny lalaon'ny Nosy Indianina . Raha naharitra efa ho 3 ora ny lanonam-panokafana ary nahitana mpandray anjara mihoatra ny 4000 niakatra an-tsehatra niaraka tamin'ny sarimihetsika vidéo, dihy nentim-paharazana sy maoderina, effets spéciaux (seho ara-maso), taratra laser ary indrindra ny fampisehoana drone malaza sy ny afomanga, nihena be kosa ny mpijery nandritra ny lanonam-pamaranana . Hotanterahina any Nosy Kômôro afaka efa-taona ny lalao JIOI andiany faha-12, amin’ny taona 2027, .
https://mg.globalvoices.org/2023/08/27/165630/
Ao Gabôna, fifidiananana telo sosona manan-tantara ifandroritan-tombontsoa goavana
2023-08-27T04:59:44
Unknown
Ali Bongo nandritra ny nanambaràny ny hirotsahany haka fe-potoam-piasana fanintelony indray. Pikantsary avy ao amin'ny YouTube an'ny  France24 Ny 26 Aogositra 2023, handrotsa-bato ho an'ireo fifidianana manan-tantara mbola tsy fahita tao amin'ny firenena hatrizay ny mponina ao amin'ny Repoblikan'i Gabôna . Tokoa, fifidianana telo sosona no miandry azy ireo : dia ny fifidianana filoham-pirenena, solombavam-bahoaka ary kaominaly . Sambany io ho an'ity firenena ao Afrika Afovoany ity, somary vitsy mponina misy mponina 2,3 tapitrisa . Ahitana foko dimampolo eo ho eo ny mponina izay ny tena lehibe indrindra dia ny Fangs na Ekangs (32%), ny Punu-Eshira na Vili (18,9%), ny Nzebis (11,3 %), ny Tékés-Mbédés na Obambas (14 hatramin'ny 6,9 %) ary ny Mpongwès na Myènès (15%). Ny filoha amperin'asa, Ali Bongo, teo amin'ny toerana hatramin'ny Oktobra 2009 dia mirotsaka indray hikatsaka fe-potoam-piasàna fanintelony, tahaka izay lazainy eo amin'ny kaonty Twitter -ny : j’accepte avec humilité et détermination cette investiture ! J’accepte de relever le défi ! Et je vous le dis je suis prêt comme jamais ! Nous gagnerons ! Pour le Gabon ! Cette victoire nous l’obtiendrons ! Nous l’obtiendrons parce que les Gabonaises et les Gabonais la veulent ! pic.twitter.com/tf8MSwEj9Y — Ali Bongo Ondimba (@PresidentABO) July 10, 2023 Ekeko am-panetren-tena sy fahavononana ity fanosorana ahy ity ! Ekeko ny hiatrika ireo fanamby ! Ary lazaiko aminareo fa tena vonona tsy misy toy izany aho ! Handresy isika ! Ho an'i Gabôna ! Ho azontsika io fandresena io ! Ho azontsika izany satria tian'ny Gabône lahy sy vavy! pic.twitter.com/tf8MSwEj9Y — Ali Bongo Ondimba (@PresidentABO) 10 Jolay 2023 Filohan'ny Antoko Demokratika Gabône (PDG), Ali dia tonga teo amin'ny fitondrana taorian'ny fodiamandrin'ny rainy, ny filoha teo aloha, Omar Bongo , tamin'ny Jona 2009. Hiatrika kandidà valo ambin'ny folo i Bongo Junior izay ny valo amin'ireo dia avy amin'ny antoko politika mpanohitra, ary ny folo mitonona ho kandidà tsy miankina. Alexandre Barro Chambrier , minisitra taloha sady filohan'ny antoko Rassemblement pour la Patrie et la Modernité (RPM), Paulette Missambo an'ny ‘ Union Nationale (UN), Pierre-Claver Maganga Moussavou an'ny Antoko Sosialy-Demokraty sy Mike Jocktane , Pasitora Protestanta sady lehilahy mpanao politika, filohan'ny antoko Gabon Nouveau no kandidà tsara toerana tany anatin'ireo fitsapan-kevitra. Mitontaly 846 822 ny isan'ireo mpifidy , monina eo amin'ny firenena sy any ivelany, antsoina hifidy izay ho filoham-pirenena, solombavam-bahoaka sy ben'ny tanàna. Ho an'ny Masoivoho Anadolu , manazava i Lambert-Noël Matha, Minisi-panjakana misahana ny Minisiteran'ny Atitany hoe : Mitsinjara ho mpifidy 830 729 izy ireo ao amin'ny firenena ary 16 093 any ivelany. Tamin'ny fanisàna farany tamin'ny 2018, 688 702 ireo mpifidy voasoratra anarana. Misy fitomboana mpifidy vaovao manodidina ny 158 120 na sambany vao hifidy, misy an'ireo tanora feno 18 taona tamin'ny taona 2019, 2020, 2021, 2022 ary 2023, saingy tao ihany koa ireo izay mihoatra io fetran-taona ahazoana mifidy io, saingy tsy mbola nisoratra anarana taloha. Olana ara-politika sy demokratika Mitondra fanamby lehibe ho an'ny hoavin'i Gabôna ireto fifidiananan telo sosona ireto. Manomboka amin'ireo fifidianana ho avy ireo, manandrana lalàm-panorenana vaovao ireo kilasy pôlitika, vokatra iray avy amin'ny fanitsiana ny lalàm-panorenana mety hanalava ny fitondran'i Ali Bongo ny firenena, ary izany dia ho tsy misy fetra. Etsy ankilany, ny fifidianana izay ho filohampirenena dia hatao indray mandeha ihany fa tsy misy fihodinanan roa intsony. Alain-Claude Bilie-By-Nze , Praiminisitra gabôney, teo amin'ny fandraisampeon'ny Radio France International (RFI) nilaza fa : Tetikasa mitsinjo ny hoavy amin'ny fanamafisana ny demaokrasia sy ny tany tàn-dalàna io. Fepetra manana ny lanjany hitondra ho amin'ny fisian'ny fifidianana milamina. Eny anaty tambajotra sôsialy, ny sasany amin'ireo Gabôney maneho ny hafaliany manoloana io firotsahan'i Ali Bongo io indray. Toy izany i Anthony Ravell Okawhe , izay mamoaka ao amin'ny Twitter hoe : Le @PresidentABO c’est mon choix pour l’élection présidentielle d’août 2023. Demain je serai au congrès Extraordinaire d’investiture du @pdg2R , nous sommes avec toi champion. #Gabon @Sylviabongo @NoureddinBV @NzeghoDieko @JessyeElla @BilieByNze @OssoukaRaponda @Ledjiad20 pic.twitter.com/eroKGspRSn — Anthony Ravell Okawhe (@OkawheRavell) July 9, 2023 Ny @FilohaABO no safidiko amin'ny fifidianana izay ho filohampirenena hatao ny Aogositra 2023. Rahampitso aho dia hanatrika ny kaongresy makotroka fanolorana ny @pdg2R Miaraka aminao izahay ry mpandresy. #Gabon @Sylviabongo @NoureddinBV @NzeghoDieko @JessyeElla @BilieByNze @OssoukaRaponda @Ledjiad20 pic.twitter.com/eroKGspRSn — Anthony Ravell Okawhe (@OkawheRavell) 9 Jolay 2023 Fa ho an'ny mpanohitra, felaka mandrivorivo tokoa io. Rehefa avy nifidy nanohitra io fanavaozana io, teo ampivoahana ny latsabato natao tao amin'ny antenimieram-pirenena,  Albertine Maganga Moussavou, solombavambahoaka mpanohitra no namaly ny fanontanian'ny RFI : Ho anay, hatrany am-piandohany ny zavatra rehetra no efa nandringa. Ny fanatsaràna ny rafi-pifidianana no tanjona ahafahana misoroka ny tsy hisiana fifidianana misy krizy. Nofoanana io lafiny io. Araka izany dia tsy hitanay izay tokony hanohanana na kely aza ny zava-bita sy notapahana. Eny anivon'ny mpanohitra, hiparitadritaka ireo mpirotsaka ho amin'ireny fifidianana ireny. Any anatin'ireo fampitam-baovao sy famoriam-bahoaka, ny sasany miampanga ny hafa ho misabaka. Araka izany, ny lahatsoratra iray an'ny Lbv News dia mitanisa an'i Gervais Oniane izay miampanga an'i Raymond Ndong Sima, Alexandre Barro Chambrier ary i Mike Jocktane, samy mpirotsaka avokoa, ho tsy ampy fahamatorana amin'ny toerana raisin-dry zareo. Nampitaina tao amin'ny Twitter ilay lahatsoratra: Lors d’une rencontre politique animée dans le quartier Nzeng-Ayong le samedi 29 juillet 2023, Gervais Oniane, candidat à l’élection présidentielle au #Gabon , a réitéré ses accusations à l’encontre de l’opposition. https://t.co/NkYCzyuGU9 — LbvNews (@LbvNews) July 30, 2023 Nandritra ny fihaonana pôlitika nafampàna tao amin'ny vohitr'i Nzeng-Ayong ny Sabotsy 29 Jolay 2023, Gervais Oniane, mpirotsaka hofidiana ho filohampirenena ao #Gabon , dia nanamafy ny fiampangàny ny mpanohitra. https://t.co/NkYCzyuGU9 — LbvNews (@LbvNews) 30 Jolay 2023 Mety tsara ho an'ny antoko eo amin'ny fitondràna io fisamantsamahan'ny avy amin'ny fanoherana io, ary manokatra varavarana efa voasoritra mazava ho an'i Ali Bongo. Araka ny fanazavan'i Télesphore Ondo , profesora mpampianatra “droit public”, rehefa nanontanian'ny RFI: 💬 🇬🇦 #Gabon «Les problèmes d'égo de l'opposition vont ouvrir un boulevard» pour le président gabonais Ali Bongo lors des élections présidentielles, législatives et locales du 26 août, analyse Télesphore Ondo, professeur de droit public. 🎙Invité de @SebastienNemeth #RFImatin 👇 pic.twitter.com/RWdma9uRqs — RFI Afrique (@RFIAfrique) August 16, 2023 💬 🇬🇦 #Gabon Mandritra ireo fifidianana izay ho filohampirenena, solom-bavambahoaka sy ben'ny tanàna ho atao ny 26 Aogositra,  «hanokatra lalambe migodana ho an'i Ali Bongo, filoha gabôney,  ny olan'ny hambompon'ny mpanohitra», hoy ny fandalinan'i Télesphore Ondo, mpampianatra “droit public”. 🎙Invité de @SebastienNemeth #RFImatin 👇 pic.twitter.com/RWdma9uRqs — RFI Afrique (@RFIAfrique) 16 Aogositra 2023 Fanamby ara-tsôsialy Araka ny voalazan'ny Banky Iraisampirenena , ny famokarana solika sy manganezy no tena fidirambola ho an'ny toekarena gabôney. Mibahan-toerana ao anatin'ny faribolan'ny toekarena ihany koa ny sehatra fitrandrahana harena ankibon'ny tany, ny hazo ary ny fambolena. Nefa ny salan-karama isambolana ao Gabon dia tombanana ho 150.000 FCFA (249 dolara amerikàna) Ankoatra izay, na eo aza ireo loharanon-karena mineraly, manana taha ambony be amin'ny tsy fanànana asa i Gabôna:   21,5%, mametraka an'i Gabôna ho ny firenena faha-9 manana ny taha ambony indrindra amin'ny tsy fanànana asa eto amin'izao tontolo izao, nefa ny tanora no tena mandrafitra ny ankamaroan'ny vahoaka. Tamin'ny faran'ny taona 2022, ny tahan'ny tsy fanànana asa ho an'ny tanora dia nahatratra efa ho 40% araka ny voalazan'ny Banky Iraisampirenena . Mampanahy be ihany koa ny haavon'ny kolikoly. Araka ny valin'ny fanadihadiana iray nataon'ny Afrobarometer : Mampalahelo an'ireo Gabôney ny fitomboan'ny tahan'ny fanaovana kolikoly, saingy atahoran-dry zareo ny valifaty raha toa ka hitory. Olompirenena sivy amin'ny folo no tsy mankasitraka ny asa vitan'ny governemanta amin'ny resaka ady amin'ny kolikoly. Manamafy io fanadihadiana io ny fanomezana laharana 2022 avy amin'ny Transparency International . Gabôna no mitàna ny toerana faha-136 amin'ireo firenena 180 ao anatin'io fanomezana laharana io. Miaraka amina tahan'ny tsy fanànana asa sy ny haavo ambony be amin'ny fanaovana kolikoly tahaka izany, fanamby goavana ho fanomezana fahafahampo ny vahoaka no miandry izay mpirotsaka hoavy eo. Olan'ny ara-tontolo iainana Tato anatin'ny taona vitsivitsy, tao anatin'ny ady amin'ny fiovaovàn'ny toetrandro ao Afrika dia nahasarika ireo tandrefana ilay firenena. Marobe ireo mpamatsy vola, mpampiasa vola sy mpiara-mitantsoroka iraisampirenena no miandrandra ireo alan'i Gabôna ho fisintonana ireo entona miteraka hafanàna. Eny tokoa, 88% amin'ny faritr'i Gabôna no rakotra ala . Naseho ho toy ny maodelin'ny fitahirizana ny tontolo iainana i Gabôna. Tamin'ny Jona 2021, izy no firenena afrikàna voalohany indrindra nahazo avy amin'ny Central Africana Forest Initiative (CAFI), ny voalohany dia fandrotsaham-bola  17 tapitrisa dôlara amerikàna noho ny nahavitàny pôlitika ara-tontolo iainana tahaka izany. Io dia tafiditra ao anatin'ny fifanarahana iray maharitra folo taona, mitentina 150 tapitrisa dôlara amerikàna nosoniavin'ilay firenena niaraka tamin'ny CAFI. Ho hita eo raha hisitraka mivantana an'ireny fandrotsaham-bola ireny ny vahoaka, amin'ny fampiharana pôlitika ara-tontolo iainana mahomby. Raha tsaraina avy amin'ireo fampielezankevitra pôlitika, ny kolikoly no tena mbola mampiasa loha fatratra an-dry zareo Gabôney.
https://mg.globalvoices.org/2023/08/25/165700/
Fangitra: Inona no vakiana mba hahatakarana ny adihevitra ao Gabon?
2023-08-25T07:21:30
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny TV5 Monde info. Raha mizotra ho amina fifidianana telo sosona manantantara i Gabon ny  24 Aogositra, dia misy koa ireo adihevitra sôsialy sy pôlitika eny an-kianja sy ao anaty tambajotra sôsialy. Mba hahafantarana misimisy kokoa izay manentana, manainga fanahy, fa koa mampizarazara ny Gabôney, dia atolotry ny Global Voices ny torolàlana kely iray ho an'ny vakiteny hanarahanao ny vaovao gabôney, hazavaina sy kirain'ny feo isankarazany mampiseho ireo singa rehetra mandrafitra ny fiarahamonina, ao anatiny sy ivelan'ny firenena. Ao Gabon, ny tena loharanom-baovao ôfisialy dia ny Agence Gabonaise de Presse (AGP) izay manolotra fandrakofana manerana ny firenena, ary isanandro, sy hita ihany koa ao anaty Facebook . Media iray mila jerena ihany koa ny Gabon Matin izay tsy isanandro no mivoaka, ary mandrakotra ireo vaovao pôlitika no tena ataony. Toy izany koa, ny gazety La Libreville izay miresaka ny vaovao pôlitika sy tontolo iainana ihany koa. Ny tranonkala Gabonreview dia manolotra ihany koa fandrakofana tsara ny resaka rehetra mampiasa loha ny fiarahamonina gabôney. Tafiditra anatin'ireo tranonkala ao an-toerana mila heverina ihany koa ny Gabon Media Time, Gabon Actu sy ny L'Union . Elam-TV dia fantsom-pahitalavitra iray an-tambajotra miainga avy any Afrika Atsimo, ary mandrakotra ireo vaovao sôsialy sy pôlitika ao Gabon, no sady mitondra ny feon'ireo Gabôney, hita ihany koa ao amin'ny Facebook . Etsy ankilany, misy tatitra navoaka vao haingana, “ Le bilan du second septennat d’Ali Bongo Ondimba (2016 – 2023) ” (Tomban'ny fe-potoam-piasàna fito taona fanindroany nitondran'i Ali Bongo Ondimba) manome tombana somary mitsikera ireo fito taona nitondran'i Ali Bongo. Any ivelan'i Gabon, marobe ireo tranonkala amin'ny teny frantsay mandrakotra tsy tapaka ihany koa ny vaovao gabôney, isan'izany ny : rantsana ao Gabon amin'ny gazetiboky Jeune Afrique ; sy ny rantsana ao Gabon ho an'ny gazetiboky Afrique XXI , manana ny foibeny ao Parisy; sy ny rantsana Afrique ao amin'ilay gazety frantsay Le Monde . Ny Radio France Internationale (RFI) , Voice of America (VOA) sy ny BBC amin'ny fiteny frantsay dia manolotra ihany koa fandaharana sy lahatsoratra mandrakotra an'i Afrika sy Gabon. Isantaona ny fikambanana iraisampirenena Reporters sans frontières dia mamoaka ihany koa ny fanomezany laharana ireo firenena amin'ny resaka fahalalahan'ny fanehoana hevitra, anisany i Gabon . Ao Gabon, mihoatra ny 70% ny tahan'ny fahafahan'ny olona miditra amin'ny aterineto. Izay mahatonga ny tambajotra sôsialy somary mavitrika sy manome azy ireo ny anjara toerana iray lehibe ao anatin'ny fiainana pôlitikan'ny firenena, ary hatramin'ny any am-pielezana. Ity lisitra ity no manome hevitra momba ny fahasamihafan'ireo bilaogera (lahy sy vavy Gabôney. Ao amin'ny Twitter, marobe ireo feon'ny Gabôney maneho hevitra momba ny vaovao pôlitika, toy ilay mpikatroka Peter Brady Akewa , na ny filoha Ali Bongo ao amin'ny kaontiny, ary hatramin'i Ondo Ossa Albert , mpifaninana nosafidian'ny mpanohitra hiatrika an'i Ali Bongo amin'ny fifidianana filohampirenena hatao ny 26 Aogositra 2023, na ilay mpahay toekarena Mays Mouissi . Ireny ranty sy fanehoankevitra rehetra ety anaty tambajotra ireny dia ahafahana mahatakatra ny toedraharaha jerena avy amina zoro maro samihafa.
https://mg.globalvoices.org/2023/08/21/165481/
‘'Fanomezam-boninahitra ny fiaviako sy ny fahazazàko ny zavakantoko ‘: Antsafa nifanaovana tamin'i Saïdou Dicko, mpanakanto teraka tao Burkina Faso
2023-08-21T16:29:06
Unknown
‘Ilay sampan-kazon'ny fahafahana,’ Saïdou Dicko, 2018. Saripika nolokoina. 80 x 120 cm/31 x 47 in. Fanomezan'ny Artco Gallery sy ilay artista Rehefa mandeha mitetitety ao anatin'ny sehatry ny zavakanton'ny vanimpotoana maoderina, dia mifanena amin'ny talenta miavak'i Saïdou Dicko — mpanakanto iray mitsinjo lavitra izay tsy sahirana mampitambatra ny harena ara-kolontsaina avy ao amin'ny fireneny, Borkina Faso , amin'ny fahatsapàna artistika entin'ny vaninandro maoderina. Avy amin'ireo taza-maso kanto ao Déou any andrefan'i Borkina Faso , babon'i Dicko amin'ny alàlan'ny asany mahatalanjona ny olona erantany. Naka ny aingampanahiny avy amin'ireo taona voalohany naha-mpiandry ondry azy, ny fahombiazana artistika ananan'i Dicko dia mivelatra eo ambonin'ny lafiky ny faratazan'i Sahel. Ankehitriny, ireo hosodokony, ny saripika sy ireo sary dia manainga embona lalina, manasa ireo mijery mba hanao fitetezana anaty mamakivaky ny fahatsiarovana sarobidy amin-dry zareo . Michaëla Hadji-Minaglou, tsy miankina mpitahiry zavakanto sady mpitantana ny trano fampirantiana sary AFIKARIS ao Parisy , izay vao haingana no nanolotra ireo sanganasa revôlisiôneran'i Dicko nandritra ilay Foara 1-54 Afrikàna ho an'ny Zavakanton'ny vaninandro maoderina tao New York, dia tena nihetsi-po tanteraka tamin'ny antso ho an'ny rehetra entin'ny asan'i Dicko, ary manamarina ny fahaizany mandingana ny sisintany ara-kolontsaina. “Miteny amin'ny olona rehetra ilay izy ary miantso hafaliana sy fandriampahalemana,” hoy i Hadji-Minaglou, izay mifantoka amin'ny sehatry ny zavakanto afrikàna miaraka amin'ny finiavany handrodana ireo fitsaratsaram-poana ary hampita ny hafatr'ireo artista. “Zendana hatrany aho amin'ny fomba fandraisan'ny olona ny pôezian'ny saripika nolokoina sy ny hosodokon'i Dicko. Mampahatsiahy ireo fanehoam-pitiavana sy fahatsiarovana avy amin'ny fahazazàna izy ireny.” Toherin'ny fomba fanao artistikan'i Dicko ny fanatsitokotokoana, afangarony mora foana ireo fitarihana nentindrazana avy any Afrika Andrefana sy ny voambolana ara-javakanton'ny vaninandro maoderina. Ny vokatra azo dia ny fiteny hita maso izay mandrisika bebe kokoa ny fifanakalozan-dresaka ary manohitra ireo fomba fihevitra efa mipetraka mialoha. ‘Fanodinana indray ny kitapon'ny printsesa Dior Bag ACT2 T Opéra an'i Sydney,’ Saïdou Dicko, 2023. Saripika nolokoina. Tokamiavaka. 90 x120 cm/35 x 47 in. Fanomezana avy amin'ilay mpankanto sy ny AFIKARIS . Ireo sanganasan'i Saïdou Dicko dia efa naranty tany amin'ireo sampan-draharaha manana ny lazany, tahàka ny Paris Photo, Institut des Cultures d'Islam, AIPAD (Association of International Photography Art Dealers), sy ny  Dakar Biennial. Nitombo tao Borkina Faso tamin'ny fanaovana raharahana mpiandry ondry, ny fifandimbiasan'ny hazavana sy aloka tany amin'ireo toerana tao Sahel no aingampanahy nanosika an'i Dicko. Io fahalinany tamin'ny aloka io no nitarika azy, taty aoriana, hampiditra azy ireny any anatin'ny sanganasany. Amin'ny alàlan'ny fandrakofana loko mainty ny hoditr'ireo sary ataony, avadik'i Dicko ho aloka manintona izy ireny, manasa ny mpijery hampiasa ny sainy no sady manome fomba fijery vaovao momba ny traikefan'ny olona erantany . Tao anaty antsafa iray niarahana tamin'ny Global Voices, tamin'ny fo madio no nizaràn'i  Dicko ireo heviny momba ny dingam-pamoronany, ny fisintsainany momba ny fisintonan'ny zavakantony ny sain'izao tontolo izao, ary niresahany momba ireo hafatra lalina voizin'ireo sanganasany. Tsonga avy avy amin'ilay antsafa: Saidou Dicko, May 2022. Saripika London . Tam-pitiavana natolotry ny AFIKARIS Gallery . Omid Memarian (OM) : Avy amin'ireo saripikanao, fantatray fa mahaliana anao ny aloka. Ireo andiany 2018 nataonao, “The Shadowed People,” (Ireo tratry ny aloka) dia nifototra amin'ny fifanakalozandresaka nifanaovana tamina olona iray lasa ho iray amin'ireo mpilalao fototra mibahan-toerana ao anatin'ny sanganasanao. Inona no fifandraisanao amin'ny aloka ary ahoana no niforonany sy nivelarany tao aminao sy ny sanganasanao? Saïdou Dicko (SD) : Ny aingampanahiko voalohany indrindra dia ny aloka. Ny aloka no nampifoha tato anatiko ny hetaheta hanao zavakanto tamin'ny alàlan'ny fikatsahana hamadika azy ho sary hita maso. Ny sanganasako koa dia manome voninahitra ny loharano nipoirako sy ny fahazazàko. Tena loharanon'aingampanahy manandanja ho ahy ireo. Ao anatin'ny sanganasako, mizara fahatsiarovana mahafinaritra aho, fony aho mbola tanora mpiandry ondry. Amin'ny alàlan'ny asako, zaraiko ireo fihetsehampo tsapako eny amin'ireny tontolo ireny, hatramin'ireo tsikaritra sy fotoana nampitolagaga niainako tany. Noho ireny antony ireny ihany koa no anomezako voninahitra ny fahatsorana (fahalalahan-tànan’) io tany io, io natiora io, ary ireny tontolo manodidina ireny: mahantra be saingy tena malala-tànana. Manandanja ho ahy ny mizara ny hakanton'ireny toerana ireny. Ny sanganasako dia fifangaroan'ireny zavatra rehetra ireny. Tiako ny aloka satria tsy mba miandany na amin'iza na amin'iza. Fahazazàko ny aloka. Ny aloka no nitantana ny taokantoko. Tiako ilay lafiny nofinofy amin'ny aloka. ‘Les chaussures jaunes,’ (ireo kiraro mavo) Saïdou Dicko, 2022. Lokorano teo ambony taratasy. 30×40 cm/12 x 16 in. Tam-pitiavana avy amin'ilay artista. OM: Hita any anatin'ireo sanganasa maro nataonao ny ankizy, na ry zareo no mpilalao fototra. Avy aiza no nipoiran'izay? Ary ahoana ny fifandraisany amin'ny zotranao tamin'ny fanomezana endrika hita maso na ara-tsaina? SD : Zaza miadana aho, araka izany dia andramako ny mizara io hafaliana sy hatsaràna manodidina antsika io, indraindray miaraka amina lohahevitra somary saro-takarina arahana hanihany kely. Ny fijeriko dia toy ny an'ny zaza iray faly. Izany no antony mahatonga ny ankizy hitàna anjara toerana be ao anatin'ny asako, satria ny ankizy no fitaratry ny hoavy, ny hafaliana, ny tsy fanahiana na inona na inona, ny fitia te-hahafanta-javatra, ny fizaràna…Ankizy = ny lasa, ny anio, ny ampitso. OM: Oviana ianao no nanomboka naka sary sy, taorian'izay, nanao hosodoko? Ahoana no nahalasa artista anao, ary inona no nanosika  anao hanohy io làlana io eo amin'ny fiainana? SD : Mpiandry ondry aho fony mbola zaza. Teo ampahitàna ny aloky ny biby fiompiko manao kisarisary teo amin'ny tany no tonga tamiko ny aingampanahy ho lasa artista. Nahavariana azy izy ireny. Tahaka izany no nanombohako nanao hosodoko, namerina namokatra azy ireny amin'izay fitaovana rehetra hitako. Tsy mandray ny tenako ho mpakasary raha izaho tenako, fa artista mampiasa ny fitaovana fakàna sary. Tany amin'ny 2006 tany aho no nanomboka naka sary ho toy ny fanao artistika. Tamin'ny voalohany, ny alok'ireo maodeliko ihany no nopihako ho sary. Tiako ny lafy maha-nofinofy, maha-ankizy ny aloka. Pihako ireo aloka miantefa eny amin'ny rindrina sy ny gorodona, miankina amin'izay lafika any ambadikany. Tamina fotoana iray, tsapako ho nahatratra ny fetra aho satria tsy ny rindrina rehetra no mahazo masoandro. Misy ireo lafika tiako, saingy tsy tongan'ny aloka. Ny dingana lojika manaraka tao anatin'ny sanganasako dia izaho nanomboka naka sary ny olona. Tamin'izany, hoy aho niteny irery: maninona moa raha avadiko ho aloka ry zareo? Araka izany, natomboko ny fandokoana ireo vatana mba hamadihana azy ireny ho lasa aloka. Tamin'ny 2009 izay, ary io andiany io no naranty voalohany tamin'ny 2017. Ny zavakanto no manasongadina ny poezia miafina any anatin'ireo fotoana izay heverina indrindra ho tsy dia misy dikany. Amin'ny maha-artista, avadiko ho hita maso io poezia io mba tsy hiala amintsika mandrakizay. Mitondra fanantenana ny zavakanto. ‘Comfortable In Business Class In Qatar Airways,’ (Mahazo aina ao anatin'ny Toerana natao ho an'ny mpandraharaha, sidina Qatar Airways’,  Saidou Dicko, 2021. Saripika nolokoina 90×120 cm/35 x 47 in. Tam-pitiavana avy amin'ny AFIKARIS Gallery sy ilay mpanakanto. OM: Avy amin'ireo andiany 2014 nataonao, THE SHADOW THIEF, mankany amin'ny andiany 2018, THE SHADOWED PEOPLE, tsikaritray ny  fikisahana miala avy amin'ny fanehoana ny zavamisy mankany amin'ny tontolo iray ho an'ny maso kokoa sy tsy takatry ny saina. Filonana artistika toy ny inona no ao ambadik'io fikisahana io, raha nisy? SD : Ho ahy, ny “The Shadowed People 2017” dia fitohizan'ilay andiany “Le voleur d'ombres 2006,” izy tsy nanapihako afa-tsy aloka, ary ankehitriny aho maka sary ireo mpilalao izay ovaiko ho aloka, amin'ny fametahana loko mainty eny amin'ny vatan'izy ireny. OM: Ahoana no anahapahanao hevitra hoe fitaovana manokana toy itsy no ho ampiasaina — saripika, lahatsary, hosodoko, na zavatra miorina? SD : Tonga ho azy ilay izy. Tany am-boalohany, nanao sarina aloka aho, ary nihevitra hoe, maninona raha alaina sary ireny? Taorian'ny saripika, nanao lahatsary aho. Avy eo natsofoko ny lahatsary ho ao anatina zavatra miorina. ‘VIP MEETING TMR R SOLEIL,’ 2022. Saripika nolokoina. 90x120cm/35 x 47 in. Andiany: Saripika nolokoina. Tam-pitiavana avy amin'ny AFIKARIS Gallery sy ilay mpanakanto. OM : Hatraiza no fanarahanao ny asan'ireo afrikàna artista hafa? SD : Tena akaiky an'ireo artista hafa avy ao amin'ny tanibe aho. Manaraka ny asan-dry zareo ao amin'ny tambajotra sôsialy ary manatrika ny fampiratiana ataony rehefa afaka. Mazàna izahay no miresaka momba ny asanay. Amin'ny maha-artista, tena zava-dehibe ny mifanohana amin'ny alàlan'ny fanomezana torohevitra sy fanamorana ny fihaonana ao anatin'ny tambajotranay. Ny vondrona “Rendez-vous d'artistes” dia niarahako nanorina tamina artista hafa. Ny tanjon'io vondrona io dia ny hamorona fihaonana sy fifanakalozana eo amin'ny samy artista mipetraka ao Parisy. Ampahany amin'io, isambolana izahay dia mikarakara hetsika. Hirika iray io ho anay mba hivondronana sy hiresahana ireo vaovao farany momba ny zavakanto. OM: Ahoana no hevitrao momba ny foara fanao isantaona toy ny 1-54 Contemporary African Art Fair ? SD : Ny foara toy ny 1-54 dia tena mandray anjara be amin'ny fampandrosoana ny sehatra afrikàna no sady mametraka ho eny amin'ny lohalaharana ny fahamaroana artistika misy amin'ny samy artista ao amin'ny tanibe. Manao asa goavana ny ekipan'ny 1-54, ary mampita tsara mihitsy momba ny hetsika ry zareo. ‘Mahazo aina ao amin'ny kilasy ho an'ny mpandraharaha’ Ouaga Paris 2021, Saidou Dicko, 2021. Taokanto vita amin'ny plastika momba ny fanenomana landihazo araka ny fombandrazana, vita ao Burkina Faso 73 x 100 cm/28 x 40 in. Tam-pitiavana avy amin'ny AFIKARIS Gallery sy ilay artista OM: Nisy fahalinana be tamin'ny zavakanto afrikàna tato anatin'ny folo taona farany. Nisy ireo artista goavana nipoitra ary manohy mamiratra eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Hatraiza no fiantraikan'io fahalinana io, na teo amin'ny tsena, na teo amin'ny asa ataonao? SD : Ravoravo aho mahita ireo artista avy ao amin'ny tanibe sy ny any am-pielezana mamiratra eo amin'ny sehatra iraisampirenena satria mendrika izany ny tanjaky ny asan-dry zareo. Feno olona manana talenta tsy manan-tsahala ao amin'ny tanibe, ary feo mitondra hafatra mavesa-danja. Mahafinaritra ny mahita an-dry zareo ekena eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Tsy tiako hisy fiantraikany amin'ny asako izany, fa mba hisian'ny fahitàna misimisy kokoa ho ahy sy ireo artista namako. Isaorana i Yasmine Mechbal avy amin'ny Loft Gallery ao Casablanca sy i  Michaëla Hadji-Minaglou ( AFIKARIS Gallery) tamin'ny nanomezana ny fidirana sy ny fandikàna avy amin'ny frantsay ho amin'ny anglisy.
https://mg.globalvoices.org/2023/08/21/165560/
Handray ny lalaon'ny nosy 2023 aty amin'ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara
2023-08-21T05:01:26
Unknown
Fango ofisialin'ny lalaon'ny Nosy Ranomasimbe Indianina 2023 . Lemur catta , biby famantarana an'i Madagasikara. Gidro miavaka manana rambo fotsy sy mainty mitsipitsipika, antsoina koa hoe “maki” Sary: Orange actu , nahazoana alalana. Fanintelony izao no hampiantrano ny lalaon’ny Nosy eto amin'ny Ranomasimbe Indianina i Madagasikara manomboka amin'ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao. Lalao ara-panatanjahantena ny Lalaon’ny Nosy izay ihaonan’ireo atleta avy amin’ireo nosy samihafa any amin’ny faritra atsimo-andrefan’ny ranomasimbe Indianina amin’ny fifaninanana fanatanjahantena maromaro. Tafiditra ao anatin’ity hetsika ity ny fandraisana anjaran’ny nosy Maorisy , Seychelles , Union des Comores , Madagasikara , Mayotte , ny nosy La Réunion ary ny Maldives . Ny niandohan’ny lalaon’ny Nosy Indianina dia avy amin’ny Komitim-paritry ny Olaimpika sy ny Fanatanjahantena (CROS) any La Réunion izay nanolo-kevitra ny hikarakara lalao ara-panatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny anarana hoe “Lalaon’ny ranomasimbe Indianina” tao anatin'ny tanjon'ny fivoriambeny tamin’ny taona 1974 . Nankatoavin'ny Komity iraisampirenena olaimpika (IOC) izany hevitra izany tamin’ny taona 1976 . Notontosaina tany Saint-Denis de La Réunion avy eo ny andiany voalohany tamin’ny taona 1979 mitondra ny anarana hoe “ Lalaon’ny ranomasimbe Indianina ”. Taorian'ity andiany voalohany ity dia niova ho “Lalaon'ny Nosy Ranomasimbe Indianina” ny anarana nisalorany. Amin’ny ankapobeny dia isaky ny efa-taona no misy JIOI ary araka ny sata mifehy ny lalaon’ny Nosy Ranomasimbe Indianina , tsy maintsy mitovy na mihoatra ny folo ny taranja ara-panatanjahantena, ary tsy maintsy ahitana ny atletisma sy ny lomano. Madagasikara , izay efa nampiantrano ny JIOI indroa teo aloha, ny taona 1990 sy ny taona 2007 no firenena hampiantrano fanintelony amin’ny andiany fahiraika ambin’ny folo amin’ny JIOI ny taona 2023. Napetraky ny komity mpikarakara ny teny filamatra ny lalao : « Fandresena ao anaty firaisankina sy ny fahasamihafana ». Teny filamatra izay hiraina am-pireharehana ao anatin'ny hira faneva ofisialin'ny Lalaon'ny Nosy 2023 . Nampahafantarina tamin'ny volana Mey nandritra ny lanonana ofisialy ny hira faneva sy ny fango. Namoaka ny hira faneva ofisialy tao amin'ny pejy Facebook-ny ny Filohan'ny Repoblika Malagasy, Andry Nirina Rajoelina : “C’est avec amour que je vous partage l’hymne des jeux des Jeux des îles de l'Océan Indien” https://www.facebook.com La victoire dans l’unité et la diversité “Am-pitiavana no izarako aminareo ny hira fanevan'ny lalaon’ny Nosy Ranomasimbe Indianina” Fandresena ao anatin'ny Firaisankina sy ny Fahasamihafana Lalao manamafy ny firaisankina isam-paritra Amin’ny alalan’ireo JIOI ireo, manana tanjona maromaro ireo tompon-kevitra: mametraka ny firahalahina sy ny fifankahazoan-kevitra eo amin’ny vahoakan’ny Nosy Ranomasina; mandray anjara amin’ny fiaraha-miasa isam-paritra ho fampandrosoana ny fanatanjahantena any amin’ny faritra, miaraka amin’ny fandraisana anjaran’ireo mpanao fanatanjahantena avy amin’ny Nosy Mpikambana samihafa, tsy misy fanavakavahana ara-pirazanana, ara-pinoana na ara-politika. Ireo lalao ireo ihany koa dia mampiroborobo ny firaisankinam-paritra amin'ny fametrahana fandaharam-piofanana iraisana eo amin'ny sehatry ny teknika, ny fitsarana ary ny fandaminana ary ny fanatanterahana ny lalao madinika miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ny mpikambana ao amin'ny CIJ  ho fampiroboroboana ny Olaimpisma sy ny fanarahana ny fitsipika iraisampirenena. Taranja ara-panatanjahantena 17 no hotanterahina mandritra ity andiany faha-11 ity, dia ny atletisma, ny basikety, ny ady totohondry, ny badminton, ny bisikileta, ny baolina kitra, ny fibatana fonjamby, ny handball, ny judo, ny karate, ny tolona, ​​ny lomano, ny rugby 7, tenisy, tenisy ambony latabatra, petanque, ary volley. Nambaran’ny komity mpikarakara fa ho fiarovana ny atleta rehetra, eto amin’ny Renivohitra, Antananarivo ihany no hanaovana ny fifaninanana. Nandritra ny lahateniny tamin'ny lanonana fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fango sy ny hira fanevan'ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara teny amin’ny Ivotoeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato, nanamafy ny finiavany ny Filoham-pirenena fa ho lalao fanehoana ny rehareham-pirenena izy ity ary ho tsara kokoa noho ireo lalao teo aloha.​ Hanomboka ny 25 aogositra izao ny lanonam-panokafana ny hetsika ary ny 3 septambra 2023 izao ny famaranana ny hetsika eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina Antananarivo . Misy ireo efa mientanentana amin’ny fampiantranoana ity hetsika lehibe ity ho firaisankina ary koa ho fanohanana ireo atleta Malagasy. Tahaka izany i Haingotiana Sarah izay nanoratra tao amin'ny kaontiny Twitter : Ensemble, vibrons au rythme des Jeux des Îles 2023 ! 🔥 Une célébration sportive mettant en valeur l'esprit d'équipe et l'excellence athlétique des îles de l'océan Indien . Prêts à soutenir nos athlètes préférés ? 💪🏅 #JeuxDesÎles2023 #EspritdÉquipe #Sport pic.twitter.com/URGMN57Tlq — Haingotina Sarah (@HaingotinaSara1) June 29, 2023 Handeha hiara-hientana amin'ny Lalaon'ny nosy 2023 🔥 Fankalazana ara-panatanjahatena manome lanja ny toe-tsain’ny ekipa sy ny fahaiza-manao ara-panatanjahantena any amin’ireo nosin’ny ranomasimbe Indianina. Vonona hanohana ireo atleta ankafizintsika ? 💪🏅 Fandraisana anjaran'ny Sinoa amin'ny fikarakarana ny JIOI 2023 Saingy toa voakitika ny hambom-pirenenan’ny Malagasy. Nanambara ny governemanta fa ho hafanain'ny ekipa sora-dihy Shinoa ny fanokafana sy ny famaranana ny lalao . Nahatezitra ny Malagasy maro amin'ny tambajotra sosialy io fanapahan-kevitra io. Ka namoaka tao amin'ny Facebook-ny ny Vaovaon'i KOLO TV , fahitalavitra tsy miankina iray hoe: Taorian'ny resabe nateraky ny fidirana amin'ny manampahaizana sinoa, kanefa misy ny fahaiza-manao eo an-toerana, dia nanome fanazavana ho an'ny mpanao gazety ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, André Haja Resampa: Des experts chinois du mouvement d’ensemble sont arrivés à Madagascar pour collaborer avec les figurants malgaches qui ont déjà concocté quelque chose, ils vont travailler ensemble dans la conception, la réalisation de certaines figures. Tonga eto Madagasikara ireo manampahaizana Sinoa hiara-hiasa amin’ireo Malagasy mpanao sora-dihy izay efa nanomana zavatra, hiara-hiasa amin’ny famolavolana, ny fanatanterahana ny sora-dihy sasany izy ireo.​ Tsy azo antoka fa ampy ity fikasana hiaro ny fandraisana anjaran'ny Shinoa ity. Tena matanjaka i Shina eto Madagasikara saingy toa ny vitsy an'isa akaiky eo amin'ny fitondrana ihany no mahazo tombony amin'izany. Araka ny voalazan'ity tatitra avy amin'ny Ivo-toerana Frantsay momba ny Fifandraisana iraisampirenena ity : C’est dans l’économie informelle de l’exploitation des ressources naturelles que les opérateurs chinois jouent un rôle majeur, contribuant à perpétuer l’extractivisme dont Madagascar peine à sortir depuis l’indépendance et jouant de fait un rôle important dans le financement des pouvoirs qui se succèdent. Ao anatin’ny toe-karena tsy ara-dalàna amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary no tena mitana anjara toerana lehibe ny mpandraharaha sinoa, manampy amin’ny fampaharetan'ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izay tsy mety tafavoaka amin'izany i Madagasikara hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena ary raha ny marina dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny famatsiam-bola ireo fahefana nifandimby. Folo andro latsaka mialoha ny fanombohan’ny lalao, manome antoka ny fitondram-panjakana fa vonona i Madagasikara handray ny JIOI 2023 ary efa mandeha tsara ny fanomanana . Tena tombony ho an’ny filoha am-perinasa ny fahombiazan’ity hetsika ity, izay kandidà handimby azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny novambra 2023.
https://mg.globalvoices.org/2023/08/20/165499/
Media nomerika, misy fiantraikany ve ao anatin'ny fomba fanao miaro maharitra ny tontolo iainana ao Nizerià?
2023-08-20T07:46:51
Unknown
Fako plastika tsy voakarakara tsara ao Lagos, Nizeria, 17 Martsa 2023. Sary an'ny Tunesh247 teo amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 4.0). Avy amin'i Mariam Doyinsola Oyedele Amin'izao vanim-potoanan'ny nomerika izao, tena zava-dehibe amin'ny fanabeazana an'ireo Nizeriana momba ny tontolo iainan-dry zareo ny fitarihan'ny haino aman-jery nomerika. Na izany aza, mipetraka ho lohahevitra amin'ny fikarohana ny halehiben'ny fiantraikan'ny haino aman-jery nomerika nivadika ho asa azo tsapain-tanana sy ny fampiasana miely patrana ireo fomba fiaina miaro ny tontolo iainana. Ankehitriny, misy 122,5 tapitrisa ireo mpampiasa Aterineto ao Nizerià , ary tsy isalasalana fa izany dia namorona làlana ho an'ny Nizeriana mba hahalala bebe kokoa mikasika ny tontolo iainan'izy ireo sy ny krizy ara-toetrandro. Ny sehatra media sosialy monja dia namorona toerana hahafahan'ny tsirairay mahazo vaovao mikasika ny vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro, ny tsy fahampian'ny fanodinana, ny fiparitahan'ny solika sy ny tondra-drano izay mamely ny firenena. Tamin'ny alalan'ny haino aman-jery nomerika, ny rafitra mifototra amin'ny Tranonkala dia nahatonga ny Nizeriana hahazo fahalalana mikasika ny tontolo iainany. Araka ny fikarohana tamin'ny Google, nasehon'ireo Nizeriana ny fahalianany bebe kokoa amin'ny olana mikasika ny tontolo manodidina azy ireo. Tamin'ny Andron'ny Tany dia namoaka angona mampiseho ny firehana maharitra indrindra ao Nizeria ilay orinasa teknolojia misandrahaka amina firenena maro, narahany tamin'ny hoe “Inona no atao hoe fiakaran'ny hafanana erantany ?” , fanontaniana be mpikaroka indrindra ao amin'ny Google. Ny fironana hafa voamarika ho anisan'ny tena fironana maharitra indrindra ao Nizeria dia nahitana ny tsy fandefasana entona karbôna, izay mampiseho fa tonga saina kokoa ireo Nizeriana sasany amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ary mitady fomba hampihenana ny dindon'ny karbôna ao alefan-dry zareo. Naka ny toeran'ny olom-pirenena mpanao gazetin'olontsotra ireo Nizeriana, nanararaotra naka tombony amin'ny teknolojia elekronika mba hizaràna ny traikefan'izy ireo manokana momba ny tontolo iainana. Amin'ny famoronana horonantsary sy fakàna sary, dia vitan-dry zareo ny nisarika ny sain'ny hafa mikasika ny toe-draharaha manodidina ny tontolo iainana mitranga ao amin'ny fiarahamonina. Tamin'ny taona 2022, nanatri-maso ny firongatry ny tondradrano i Nizeria, izay niantraika tamina Fanjakana 33 amin'ny 36 ary namindra toerana Nizeriàna maherin'ny roa tapitrisa, araka izay lazain'ny Masoivoho Nasiônaly Mitantana ny Hamehana . Ho setrin'ireo trangan-javatra mahatsiravina ireo dia nitodika tany amin'ny Twitter ireo olom-pirenena sahiran-tsaina mba hizara an'ireo fitantaràna mivantana. Ohatra amin'izany, olona iray mpampiasa Twitter no nizara ireo lahatsary mikasika ny tondradrano tao Anambra : Flooding around Idemili & Ogbaru LGAs of Anambra State. This is a ripple effect of the opening of dam on the River Benue by Cameroonian authorities. Majority of Lokoja Kogi State, is submerged in water as I tweet. Shows the very poor foreign policy engagement of the Buhari admin. pic.twitter.com/6ALNnNz1mD — Olaudah Equiano® (@RealOlaudah) October 7, 2022 Tondradrano manodidina ny LGA Idemili sy Ogbaru ao amin'ny Fanjakana Anambra. Vokatry ny fibosasahana nateraky ny fanokafan'ny manampahefana kameroney ny tohodrano ao amin'ny reniranon'i Benue. Dibodrano ny ankamaroan'ny Fanjakana Lokoja Kogi fotoana andefasako ny sioka. Mampiseho ny mamparefo tanteraka ny fandraisana andraikitry ny fitantanan'i Buhari eo amin'ny lafiny politika ivelany. pic.twitter.com/6ALNnNz1mD — Olaudah Equiano® (@RealOlaudah) 7 Oktôbra 2022 Manana anjara toerana lehibe ireo sary ireo amin'ny fanehoana ny habeny sy ny maha-laharam-pahamehana ireo fanamby momba ny tontolo iainana atrehan'ny firenena. Tamin'ny alalan'ny haino aman-jery sosialy, nampiseho ny fanolorantenany ho amin'ny fitandroana ny tontolo iainana maharitra ihany koa ireo Nizeriana. Tsy tapaka ry zareo ny mamorona tenifototra mandritra ireo fanentanana, tahaka ny #GreenNigeria sy ny #pickthattrash, mba hanentanana sy hampiraisana hina ny olona ho amina  tanjona iray iraisana : Attention everyone!📢 Did you know that climate change is wreaking havoc on Nigeria's food supply, leading to shortages and soaring prices? Let's make our voices heard and demand action on climate change! #Vote4ClimateNG #GreenNigeria #election2023 #ClimateAction pic.twitter.com/W1dtby9lX4 — Vote4ClimateNG (@Vote4ClimateNG) March 16, 2023 Tandremo rey olona a! Fantatreo ve fa ny fiovaovan'ny toetrandro dia mandravarava ny famatsiana ara-tsakafo ao Nizeria, mitarika ny tsy fahampiana ara-tsakafo sy fiakaran'ny vidiny ? Ndao isika hampiaka-peo sy hitaky asa hanoherana ny fiovaovan'ny toetrandro! #Vote4ClimateNG #GreenNigeria #election2023 #ClimateAction pic.twitter.com/W1dtby9lX4 — Vote4ClimateNG (@Vote4ClimateNG) 16 Martsa 2023 Today we #pickthattrash @NESREANigeria Northwest zonal office, Kano I still support @obyezeks on this mission thank you Ma pic.twitter.com/NQ6Luxthvs — Ibrahim (@ibmoha80) May 3, 2018 Ankehitriny isika #mandroakaTyFakoTy @NESREANigeria biraon'ny faritra avaratra-andrefana, Kano Mbola tohanako hatrany ny @obyezeks amin'ity hetsika ity. misaotra anao Ma pic.twitter.com/NQ6Luxthvs — Ibrahim (@ibmoha80) 3 May 2023 Fanampin'izany, lasa fitaovana tena ilain'ireo mpikatroka ho an'ny tontolo iainana ny media nomerika mba hanaparitahana vaovao mikasika ny asan'izy ireo sy ny fanamby ara-tontolo iainana ao Nizeria. Tamin'ny 2021, podcast iray avy amin'ny Arukah Network sy ny gazetiboky Footsteps an'ny Tearfund , mitondra ny lohateny hoe “Ahoana no fananganana vondrom-piarahamonina” no nandefa fizarana iray mifantoka amin'ny nataon'ireo tanora Nizeriana nahitàny fomba vaovao hamoronana orinasa amin'ny alalan'ny famahana ny olan'ny fako ao Nizeria. Navadik'ireo mpandraharaha ireo ho angovo azo avy amin'ny masoandro ny fako elektronika, ka manome hirika ara-toekarena sy vokatra miabo amin'ny tontolo iainana. Ao amin'ilay podcast, Oscar Danladi, mpikatroka iray ho an'ny tontolo iainana, mitarika ny Jos Green Centre ao afovoan'i Nizeria, no nizara vaovao mikasika ny ezaka ataon'ireo mpandraharaha ara-tontolo iainana sy ny iraka ataon'izy ireo hanentanana ny tanora Nizeriana hitandrina ny tontolo iainana eo am-pitadiavana asa sy eo am-pananganana ny orinasan-dry zareo. Ao anatin'ireny fivoarana tsara ireny dia mbola mitohy ny fanamby hahatongavana amin'ny fahatsiarovantena ara-tontolo iainana miparitaka amin'ny rehetra ao Nizeria. Araka ny tatitra tamin'ny 2022 avy amin'ny National Technical Study Group, Fanjakana telo ihany no madio ara-tontolo iainana ao Nizeria – raha ampitahaina amin'ireo fito tamin'ny 2021. Asongadin'io tarehimarika ambany io ny filàna fampivelarana ny fahatsapana lalina ny fandraisana andraikitra sy ny fahatongavan-tsaina mikasika ireo fomba fanao maharitra eny anivon'ny olom-pirenena. Na eo aza ny fisarihana mahery vaika ananan'ny media nomerika amin'ny famolavolana ny hevitry ny besinimaro dia mety tsy ho ampy ny fiantraikany hamahàna ny filàna maika amin'ny fitandroana maharitra ny tontolo iainana. Mbola marobe ny isanjaton'ireo Nizeriana manana fahafaha-miditra amin'ny media nomerika nefa tsy mahafantatra mikasika ny fiovaovana toetrandro, tahaka izay tsiahivin'ny fanadihadiana Afrobaromètre iray natao tamin'ny 2020 . Na any amin'ny faritra an-tanàndehibe aza, izay miparitaka kokoa ny fampiasàna ny fampitam-baovao nomerika, mbola mijanona ho ambanimbany ihany ny tahan'ny fahatsiarovantena mikasika ny fiovaovan'ny toetrandro. Araka ny fanadihadiana natao tamin'ireo olon-dehibe Nizeriana 1.599, misy 65,4% no tsy naheno izay momba ny  fiovaovan'ny toetrandro. Ambonin'izany, na amin'ireo faritra an-tanàndehibe manana fidirana amin'ny media nomerika tsara kokoa aza dia 29,5 isan-jato monja ny taham-pahalalana momba ny fiovan'ny toetrandro. Ambonini'izay koa, manodidina ny 4,7% amin'ireo nandray anjara tamin'ilay fanadihadiana no tsy mahazo antoka tsara ny fahalalany ny fiovaovan'ny toetrandro, raha toa ka 0,4% kosa no nilaza tsy te-hahafantatra loatra momba izany. Amin'ny sehatry ny media sosialy dia mety ho sarotra ny hahita lahatsoratra mifandraika amin'ny tontolo iainana lovainjafy anatin'ireo fitobaham-baovao isanandron'ny Nizeriana raha tsy mavitrika mitady azy ireny. Rehefa mitranga ny karazana hafatra tahàka izany, dia matetika tsy ireo mponina any Nizeria no mizara azy ireny. Miharihary ihany koa fa matetika ireo lahatsoratra mikasika ny tontolo iainana no tsy dia mahazo fianakalozankevitra mivantana, tahaka ny “tia” sy ny “fanehoankevitra”, mihoatra amin'ny votoaty hafa. Amin'ny ankapobeny, vitsy kokoa ny isan'ny mpamandrika azon'ireo fikambanana miresaka tontolo iainana ary eo ihany koa ny ny tsy fahampian'ny mpanentana mikasika ny tontolo iainana lovainjafy ao Nizeria. Ireo fanamarihana ireo dia manasongadina fa raha toa ny media nomerika mandray anjara amin'ny fanaparitahana vaovao mikasika ny tontolo iainana, dia mety tsy hiteraka fandraisana andraikitra na fanentanana sahaza  eny anivon'ny ankamaroan'ny Nizeriana izy ireny. Mba hisian'ny vokany misy lanjany kokoa, dia mila hamafisina amin'ny fomba mahomby ny fiantraika sy ny fisarihana ananan'ireo lahatsoratra mikasika ny  tontolo iainana lovainjafy eny amin'ireo sehatra fampahalalam-baovao nomerika. Fomba iray hahatongavana amin'izany ny fizaràna, tsy ny votoaty mampihetsipo fotsiny mikasika ny fanamby atrehan'ny tontolo iainana, fa ihany koa ny fampisehoana ny tantaram-pahombiazana amin'ny fandraisana andraikitra maharitra sy ny fiarahamiasa amin'ireo mpitarikevitra mba hampahafantatra ireo  fomba fanao manaja ny tontolo iainana. Amin'ny alalan'ny fampiasana media nomerika amin'izany fomba izany, afaka atao ny manainga fanahy hisian'ny fiovan'ny fitondratena tsara, mamporisika ny fiarahamonina miahy kokoa ny tontolo iainana. Ankoatra izany, ny fahatsiarovan-tena atosiky ny media nomerika dia tokony ho hita amin'ny alàlan'ny fiovana azo tsapain-tanana amin'ny politika izay manao ho laharam-pahamehana sy manohana ny tontolo iainana lovainjafy. Zava-dehibe ny famporisihana ireo Nizeriana hanao safidy tsara eo amin'ny fiainany andavanandro isambatan'olona, izay mandray anjara amin'ny hoavy maitso sy maharitra kokoa ho an'ny firenena. Amin'ny alalan'ny fampifangaroana ny fahafahan'ny media nomerika manaitra ny saina sy ny hetsika iombonan'ny tsirairay, dia afaka mivoatra mankany amin'ny firenena maharitra sy mandray andraikitra kokoa ara-tontolo iainana i Nizeria. Ny fampiasana mahomby ny media nomerika dia mety hiteraka fisarihana izay afaka hitarika hankamin'ny fiovana fitondrantena ary hanetsika fiaraha-mientana mankany amin'ny firenena maharitra kokoa eo amin'ny lafiny tontolo iainana. Raha mbola manohy mampiasa media nomerika ireo Nizeriana mba hizaràna ny traikefany sy hanaovana adisisika ho an'ny fiovana, dia mila ezaka fiarahamiasa kosa ny fampandrosoana ny tontolo iainana lovainjafy. T sy maintsy miray hina reo mpanapa-kevitra ara-politika, ny orinasa, ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena ary ireo olontsotra mba hamolavola paikady sy fandraisana andraikitra matanjaka izay mampiroborobo ny fomba amam-panao manaja ny tontolo iainana sy miatrika ireo fanamby ara-tontolo iainana. Tsy misy afatsy ny karazana hetsika iombonana toy izany ihany no hahafahan'i Nizeria mizotra mankany amin'ny hoavy maitso sy maharitra kokoa.
https://mg.globalvoices.org/2023/08/04/165265/
Mihemotra ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny politika ao Nizeria: Antso hihetsika
2023-08-04T03:52:09
Unknown
Sary avy amin'i Giovana Fleck. Na dia eo aza ny maha-firenena be mponina indrindra an'i Nizeria ao Afrika, izay manana mponina 200 tapitrisa mahery, ary vehivavy ny 49.46 isan-jaton ‘ny mponina araka ny filazan'ny Banky Iraisampirenena, dia mbola ambany loatra ny fisoloan-tenan'ny vehivavy eo amin'ny politika. Raha manana zo mitovy mifidy sy mifaninana amin'ny fifidianana tahaka ny lehilahy aza ny vehivavy, dia tsy nampiharina ho amin'ny fisolontena ampy ho an'ny vehivavy amin'ny politika ao Nizeria ireo zo ireo. Araka ny tatitry ny Tondro ara-pitantanana sy ny Fitovian-jon'ny Lahy sy Vavy 2022 (2022 Gender Equality and Governance Index report), toerana 8 amin'ny 109 monja ao amin'ny Antenimieran-doholona ary toerana 21 amin'ny 360 ao amin'ny Antenimieram-pirenena no ahitana vehivavy Nizeriana. Nitatitra ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (INEC) fa manodidina ny 44 tapitrisa ny vehivavy , na 48 isanjaton'ny mpifidy voasoratra anarana, nandray anjara tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2023. Na izany aza, manasongadina ireo fanamby sy sakana atrehin'ny vehivavy mpifidy, mpikatroka ary kandidà ny vokatra sy ny tranga mampalahelo niseho nandritra ny fifidianana ankapobeny 2023 . Ny fitongilanana amin'ny lehilahy ao amin'ny parlemanta Manohintohina ny fandrosoana ny fitongilanan'ny parlemanta Nizeriana amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny hetsika fijoroana. Parlemantan'ny marolahy nanohitra hatrany izay lalàna mikatsaka zo mitovy ho an'ny vehivavy, nandatsa-bato hanohitra ireo volavolan-dalàna samihafa mikendry hampihatra hetsika maneho fijoroan'ny vehivavy. Ity misy sioka avy amin'ny parlemanta Nizeriana manaisotra ny fanapahan-keviny mikasika ny volavolan-dalàna momba ny miralenta: Breaking: Constitution Review: @HouseNGR rescinds decisons on three women-related bills for re-consideration. They are the bills on citizenship, indigenship and 35% affirmative action for women. — House of Reps NGR (@HouseNGR) March 8, 2022 Fandinihana ny Lalàmpanorenana: manafoana ny fanapahan-kevitra momba ny volavolan-dalàna telo mifandraika amin'ny vehivavy mba hodinihina indray ny @HouseNGR . Volavolan-dalàna momba ny zom-pirenena, ny maha-vazimba ary ny hetsika 35%-n'ny fijoroan'ny vehivavy. Ho setrin'ireo fanapahan-kevitra ireo, dia nidina an-dalambe ny vehivavy manerana ny firenena mba hanao fihetsiketsehana a ry nanentana ny Antenimieram-pirenena mba handinika indray ireo volavolan-dalàna ireo. Fanafihana matetika ny vehivavy Sakana lehibe amin'ny fandrosoan'ny fandraisan'ny vehivavy anjara ara-politika ny fihanaky ny fandrahonana, ny fanorisorenana, ny fampijaliana an-jotra ary ny fanafihana ara-batana amin'ny vehivavy mpanao politika, sy amin'ny mpifidy koa. Nokaravasiana ampahibemaso, noharatana tamin'ny vaki-tavoahangy ny volony ary nogadraina in-16 i Hajia Gambo Sawaba , vehivavy mpanao politika nogadraina foana teo amin'ny tantaran'i Nizeria, . Nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena sy ny Antenimieram-pirenena tany Nizeria tamin'ny taona 2023, vehivavy maro — na ny mpifidy na mpitondra politika — no lasa lasibatry ny herisetra. Ohatra, nisy naka an-keriny i Hon Na’anyil Magdalene Dakogol, kandidan'ny All Progressives Congress (APC) ao amin'ny fari-piadidian'i Plateau ao amin'ny Fanjakana Qua'an Pan South, tamin'ny andro nanaovan'ny antokony ny fifidianana anatiny voalohany. Tamin'ny tranga iray hafa, vehivavy iray no notafihan'ny jiolahimboto politika nirongo tavoahangy raha teo am-pilaharana handatsa-bato tao amin'ny biraom-pifidianana tao amin'ny faritr'i Surulere ao amin'ny Fanjakan'i Lagos . Tamin’ny tranga iray hafa , nisy vehivavy iray voatery nandositra ny tranony noho ny fanafihana ny tanànany. Ny zavatra niainana nandratra saina nihatra tamin'ireo vehivavy ireo sy ny hafa no nitarika ho amin'ny fahaverezan'ny fahalianana amin'ny fifidianana sy ny firotsahana politika. Finoana ara-kolontsaina sy ara-tsosialy Nilaza tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny resadresaka an-telefônina i Sheba Kura, mpitarika ara-politikan'ny vehivavy teo aloha tao amin'ny Kongresin'ny Fanovana Miandalana (Congress for Progressive Change) (CPC) ao amin'ny Fanjakan'i Kaduna, avaratr'i Nizeria, fa matetika ny adidy ara-panambadiana no mametra ny fandraisana anjara mavitriky ny vehivavy amin'ny politika satria maro ny fivoriana ara-politika atao amin'ny alina, ankoatra ny fanamby hafa: I probably wouldn’t be a politician if I was married. Sometimes, political meetings are scheduled for 11:00 p.m. or 12:00 a.m. For married women, some of their husbands won’t allow that. Also, when it’s time for campaigns, they will use women to campaign for them but after they win, they will dump women. When you go to polling units, a lot of voters are women but when it comes to working with women or giving women appointments after elections, they don’t want to work with us. Mety tsy ho mpanao politika aho raha manambady. Indraindray, amin’ny 11 ora alina ny fivoriana ara-politika na amin’ny 12:00 atoandro. Ho an’ny vehivavy manambady, tsy mamela izany ny sasany amin’ny vadiny. Ary koa, rehefa tonga ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra, dia hampiasa vehivavy hanao fampielezan-kevitra ho azy ry zareo ary rehefa mandresy dia hanary ny vehivavy. Rehefa mandeha any amin’ny birao fandatsaham-bato ianao, dia betsaka ny vehivavy mpifidy fa raha resaka fiaraha-miasa amin’ny vehivavy na fanendrena vehivavy aorian’ny fifidianana, dia tsy te hiara-hiasa aminay izy ireo. Raha niresaka momba ny sakana atrehin'ireo vehivavy mpanao politika tao amin'ny sehatra Twitter mitondra ny lohateny hoe “Kandidà Politika Vehivavy Miaraka amin'ny SPPG” tamin'ny 13 Aogositra 2022, dia nilaza i Khadijah Abdullahi-Iya, kandidà ho governora ao amin'ny All Progressives Grand Alliance (APGA) ao amin'ny Fanjakana Niger hoe: One of my sisters-in-law told me that the (opposing) APC gubernatorial candidate is like my husband’s family. They are related. You cannot be part of that family and want to run against him. Nilaza tamiko ny iray tamin'ireo zaobaviko fa ny kandidà ho governoran'ny APC (mifanohitra) dia toy ny fianakavian'ny vadiko. Mifandray izy ireo. Tsy afaka ny ho anisan'io fianakaviana io ianao ka hifaninanana aminy. Lafo be ny fanentanam-pifidianana Sakana lehibe amin'ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny politika ao Nizeria ihany koa ny halafosan'ny fanentanam-pifidianana. Mampiseho ny tatitry ny Tondro momba ny Fitantanana sy ny Fitovian-jo eo amin'ny lahy sy vavy 2022 fa lasa lafo be tsy takatra ny fanentanam-pifidianana ara-politika, ka miteraka fahavoazana lehibe ho an'ny vehivavy. Matetika manakana ny vehivavy tsy hiditra amin'ny rafitra fanohanana ara-bola mitovy amin'ny lehilahy ny tsy fitoviana ara-toekarena. Na dia eo aza ny fanantenana fa hanakana ny fandaniana amin'ny fampielezan-kevitra ny fanitsiana vao haingana ny Lalàna momba ny Fifidianana Nizeriana , dia nitombo kosa ny saran'ny fanentanam-pifidianana. Vokatr'izany, vao mainka nametra ny vondron'ny vehivavy efa vitsy izay afaka mirotsaka hofidiana io fitomboana io ary nanampy tamin'ny fanakambanana ny tontolo ara-politika. Manasongadina ihany koa ny fitomboan'ny fanamby ara-bola atrehin'ny vehivavy, miaraka amin'ny saran'ny fanentanam-pifidianana izay mahatratra taha tsy mbola nisy toy izany tato anatin'ny taona vitsivitsy izay ny tatitry ny Carnegie Endowment for International Peace . Mampiraikitra ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy, mametra ny fisoloan-tenan'ny vehivavy amin'ny politika ary manohintohina  ny fahafahany mandray anjara mavitrika amin'ny fanapahan-kevitra ity sakana ara-bola ity. Raha niresaka momba ny sakana atrehin'ireo mpanao politika vehivavy tao amin'ny sehatra Twitter mitondra ny lohateny hoe “Vehivavy Kandidà Politika Miaraka amin'ny SPPG” tamin'ny 13 Aogositra 2022, nanamarika i Ier Jonathan-Ichaver, kandidàn'ny Kongresy Demokratika Afrikana (ADC) ho an'ny Antenimieran-doholona ao amin'ny faritra Kwande-Ushongo:​ Of course the other big challenge for many people is funding. So when we were even talking to people, we see for example the prices of tickets when you want to run for a particular position. We saw for example one of the parties it was 100 million for presidency and so on and so forth. Mazava ho azy fa ny famatsiam-bola no fanamby lehibe hafa ho an'ny olona maro. Ka rehefa niresaka tamin'olona aza izahay, dia mahita, ohatra ny vidin'ny tapakila rehefa te hirotsaka amin'ny toerana iray. Hitanay koa ohatra ny antoko iray izay 100 tapitrisa ny ho filoham-pirenena sy ny sisa. Tombontsoan'ny vehivavy eo amin'ny politika Miharihary ny tombotsoan'ny fisoloan-tenan'ny vehivavy amin'ny politika Nizeriana, araka ny tatitry ny Tondro momba ny Fitantanana sy ny Fitovian-jo eo amin'ny lahy sy vavy 2022 . Mampiseho ny tatitra fa ireo firenena manana ambaratonga ambony kokoa amin'ny fisoloantenan'ny vehivavy, toa an'i Frantsa, Soeda, Afrika Atsimo, ary Rwanda, dia mirona amin'ny fanaovana politika mitsinjo fianakaviana sy ireo karazam-panaovan-dalàna maro. Mampiroborobo ny rariny, ny mangarahara ary ny tsy fitanilana ny vehivavy ary manao ho laharam-pahamehana ny fanatsarana ny serivisy omena. Matetika izy ireo no manolotra fanavaozana ara-drafitra izay mamaha ny tsy fitoviana, manome harato fiarovana ara-tsosialy, ary manampy amin'ny fahatezan'ny sosialy sy ny toekarena bebe kokoa. Fanampin'izany, nanambara ny tatitra fa notondroin'ny fanadihadiana ny fifandraisana tsara eo amin'ny ambaratonga ambony amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, ny fandraisan'ny vehivavy anjara ara-politika, ary ny fitantanana ankapobeny tsara kokoa, ary ambany kokoa ny kolikoly. Raha ampitahaina, ambany laharana i Nizeria amin'ny fisoloantenan'ny vehivavy ao amin'ny parlemanta sy amin'ny ady amin'ny kolikoly. Na izany aza, amin'ny alàlan'ny fampiharana ny fisoloantena iraisana kokoa, dia mahavita miatrika ireo fanamby ireo i Nizeria ary mamporisika ny fiarahamonina iraisana sy mahazo hery kokoa. Ny fisoloantenan'ny vehivavy eo amin'ny politika dia mitana ny fampanantenana ny hampiroboroboana ny politikan'ny fampiraisana, ny fomba fijery isan-karazany, ary ny fitovian'ny lahy sy ny vavy no sady manome aingam-panahy ho an'ny taranaka vehivavy mpitarika hoavy. Zava-dehibe amin'ny fanatrarana ny tena fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny fitantanana iraisan'ny rehetra ny fiatrehana ireo sakana amin'ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny politika Nizeriana. Manakana ny fivoaran'ny vehivavy amin'ny politika Nizeriana ny fanoherana ataon'ny parlemanta anjakan'ny lehilahy, ny fanafihana matetika ny vehivavy, ny finoana ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina, ary ny halafosan'ny fanentanam-pifidianana. Ilaina ny fanavaozana mba hampiroboroboana ny lalàna momba ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, hiarovana ny vehivavy amin'ny herisetra, hanoherana ny fomba nentim-paharazana, ary hanome fanohanana ara-bola ho an'ireo vehivavy maniry hanao politika. Amin'ny alàlan'ny famoronana tontolo iainana manome lanja sy manohana ny fandraisana anjara mavitriky ny vehivavy amin'ny politika, afaka mitrandraka ny fahaiza-manaon'ny mponina isan-karazany sy miantoka ny demokrasia ara-drariny sy voasolon-tena kokoa i Nizeria.
https://mg.globalvoices.org/2023/08/17/165357/
Tao Niger, naongan'ireo miaramila ny Filoha Mohamed Bazoum
2023-08-17T12:35:04
Unknown
Mohamed Bazoum, pikantsary an'ny fantsona YouTube an'ny France 24 Feno fanonganam-panjakana sy fikasana hanongam-panjakana ara-miaramila ny tontolo politikan'ny Repoblikan'i Niger . Hatramin'ny nahazoany fahaleovantena tamin'ny 3 Aogositra 1960 , efatra tamin'izany no efa hitan'ilay firenena. Saingy tamin'ity 26 Jolay 2023 ity, fanonganam-panjakana iray vaovao nataon'ny miaramilan'ny mpiambina ny filoha no nahavita nanaisotra ny filoha ankehitriny, Mohamed Bazoum . Tamin'ny 21 Febroary 2021, tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 27 Desambra 2020, Mohamed Bazoum, kandidà natolotr'i Mahamadou Issoufou (filoha avy nandao ny toerany) no voafidy ho filohan'i Niger tamin'ny vato 55,75% nanoloana ilay mpanohitra mpifanandrina taminy Mahamane Ousmane (44,25 %). Na izany aza, notoherin'ireo ny mpanohana an'i Mahamane Ousmane ny fahalaniany. Andro vitsivitsy talohan'ny nametrahana azy tamin'ny toerany, ny 30 hatramin'ny 31 Martsa 2021, niharan'ny fikasana fanonganam-panjakana i Bazoum izay tsy nahasakana mihitsy ny fanokanana azy tamin'ny 2 Aprily 2021. Roa taona taty aoriana izany dia voaongana izy. Tamin'ny fahitalavitra nasionaly, nambaran'ireo miaramila ny putsch . Tahaka izay nilazàn'ny Tchad One azy, gazety Tchadien iray, tao anatin'ity bitsika ity hoe : Coup d'état au Niger : communiqué du CNSP pic.twitter.com/geEaJ7H07T — Tchad One (@TchadOne) July 27, 2023 Fanonganam-panjakana ao Niger : fanambaràn'ny CNSP pic.twitter.com/geEaJ7H07T — Tchad One (@TchadOne) 27 Jolay 2023 Ny ankamaroan'ny olona ao Niger no miampanga ny fitondrana  ho tsy mahavaly intsony ny zavatra andrasan'ny vahoaka aminy ka anisan'ny fitarainana lehibe amin'izany ny fanafihan'ny mpampihorohoro, ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly, ary amin'ny ankapobeny, ny fitantanana ratsy. Moussa Aksar , mpanao gazety sady talen'ny famoahana ny gazety “L’Événement” ao Niger no nanazava teo amin'ny fandraisampeon'ny Deutsche Welle fa: Fantatrareo fa misy ny olana mikasika ny fiarovana any amin'ireo faritra rehetra amin'ny sisintany telo. Hita ny fidirian'ireo mpitsoa-ponenana marobe, olona nohazain'ireo mpampihorohoro. Eo ihany koa ny fitantanana izay tsy niova, nampanantena ady hanoherana ny kolikoly i Bazoum saingy amin'izao fotoana izao tsy voatohintohina ireo mpikatroka avy amin'ny PNDS, ilay antokon'ny filoham-pirenena, izay asa mendrika hosaziana. Hetsika avy amin'ny lafiny rehetra Nanomboka tamin'ny 26 jolay, nanenika ny araben'i Niamey , renivohitr'i Niger, ireo mpanao fihetsiketsehana. Ny ampitson'ny nanonganana ny mpitondra am'perinasa, dia nitohy ireo fihetsiketsehana saingy araka ny voalazan'ny Tv5Monde teo amin'ny kaonty twitter-ny, dia misy ny manohitra ilay fanonganam-panjakana, Une manifestation en soutien au président nigérien Mohamed Bazoum a été organisée à la capitale #Niamey par ses supporters. La garde présidentielle a ouvert le feu en marge du rassemblement. Au moins une personne a été blessée selon un premier bilan. https://t.co/L5UyIutW1z pic.twitter.com/groRrUiqy9 — Le journal Afrique TV5MONDE (@JTAtv5monde) July 26, 2023 Fihetsiketsehana iray ho fanohanana ny filoha Nizeriana Mohamed Bazoum no nokarakarain'ireo mpanohana azy tao # #Niamey renivohitra. Nitifitra teny an-tsisin'ny famoriam-bahoaka ireo mpiambina ny filoha. Farafahakeliny, olona iray no naratra araka ny tombana voalohany. https://t.co/L5UyIutW1z pic.twitter.com/groRrUiqy9 — Ny gazety Afrique TV5MONDE (@JTAtv5monde)26 Jolay 2023 Ny hafa mitehaka ilay fanonganam-panjakana nataon'ireo miaramila. Tsikaritra ny fisian'ny fandrobàna sy fanimbàna fananam-bahoaka. Ny foiben'ny antoko eo amin'ny fitondrana ohatra dia lasibatra raha ireo minisitra vitsivitsy sy tomponandraikitra mbola nanao fivoriana tany anatin'ireny toerana ireny : Les Ministres et hauts responsables du parti présidentiel Du Niger 🇳🇪 PNDS-Tarraya étaient en réunion au siège.Des manifestants sont venus les attaquer,certains membres du gouvernement se sont enfuis.Des voitures ont été caillassées et brûlées! pic.twitter.com/CamfK4wxqT — Raïssa Nouradine Kassiré (@RaissaKassire) July 27, 2023 Teo am-pivoriana tao amin'ny foiben-toerana ny Minisitra sy Tomponandraikitra ambony avy amin'ny antokon'ny filoham-panjakana ao Niger, PNDS-Tarraya. Tonga nanafika azy ireo ny mpanao fihetsiketsehana, nandositra ny sasantsasany tamin'ireo mpikambana amin'ny governemanta. Voatora-bato sy voadotra ireo fiara ! pic.twitter.com/CamfK4wxqT — Raïssa Nouradine Kassiré (@RaissaKassire) 27 Jolay 2023 Andiana mpanao fihetsiketsehana iray hafa no mihiaka ny anaran'i Rosia ary mitaky sahady ny fialàn'i Frantsa ao amin'ny firenena. #Niger : plusieurs centaines de personnes se sont rassemblées devant l’Assemblée Nationale à Niamey pour manifester leur soutien aux putschistes. Ils demandent l’intervention de la Russie et le départ des troupes françaises au Niger. pic.twitter.com/ihWgQc2ARo — Lespiaut Anne-Fleur (@annefleurjo) July 27, 2023 #Niger : olona an-jatony maro no nivory nanoloana ny Antenimieram-Pirenena tao Niamey mba hanao fihetsiketsehana fanohanan-dry zareo ny putschistes. Angatahan-dry zareo ny fandraisan'anjaran'i Rosia sy ny fialàn'ny tafika frantsay ao Niger. pic.twitter.com/ihWgQc2ARo — Lespiaut Anne-Fleur (@annefleurjo) 27 Jolay 2023 Lohataonan'ireo Fanonganam-panjakana ao Afrika Andrefana Taorian'ny fanonganana mpitondra tany Mali (Aogositra 2020 sy May 2021), tao Guinée Conakry (Septambra 2021) ary tao Burkina-Faso (Septambra 2022), ny fanonganana an'i Mohamed Bazoum no fanonganam-panjakana fahadimy tany amina firenena efatra tao Afrika Andrefana hatramin'ny 2020. Andiana fanonganam-panjakana ara-miaramila tany amin'ireo firenena samihafa ireo izay namela hafatra mazava : ny finiavan'ny vahoaka hamarana ny fitondrana jadona sy fahefana manao tsinontsinona ny filàn'ny vahoaka. Maro no antony mahatonga ho amin'ity fanonganam-panjakana fahadimy tao Niger ity. Hatramin'io 26 Jolay 2023 io, Niger no firenena tokana ao Sahel tantanin'ny sivily raha toa ireo firenena mifanila vodirindrina sy mpiray sisintany kosa, anisan'izany Mali sy Burkina-Faso, dia tarihan'ny miaramila avokoa. Etsy ankilany, toa nitondra vokatra ny fiaraha-miasan'ireo firenena mifanila vodirindrina ireo amin'i Rosia taorian'ny fialàn'ny tafika Frantsay teo amin'ny taniny. Mazava fa mitarika sy mahazo vahana i Rosia ao amin'ny faritra Sahel, satria toa miha-matanjaka eny anivon'ny vahoaka ny fihetsehampo mankahala Frantsay. Niger no hany mpiara-dia amin'i Frantsa tao Sahel saingy amin'ity fanonganam-panjakana ity dia mety ho very ny tohana farany ho an'i Frantsa ao amin'ny faritra izay mbola rembin'ireo vondrona jihadista. Ny fanehoankevitry fianakaviambe iraisam-pirenena Hatramin'ny marainan'ny 26 Jolay, miraradraraka ireo antso fanamelohana. Mifandimby samy malahelo amin'ity fanonganam-panjakana iray vaovao ao amin'ny faritra Afrikana Andrefana ity, ireo hery iraisam-pirenena, ny mpiara-dia amin'i Niger ary ireo andrim-panjakana Afrikana. Tamin'ny alalan'ny fanambaràna iray, manameloka ilay fanonganam-panjakana ny CEDEAO ( Communauté Économique des États de l'Afrique de l'Ouest )  : La Commission de la CEDEAO condamne la tentative de coup d’État au Niger/ ECOWAS Commission condemns the attempted coup d’Etat in Niger pic.twitter.com/0iYWCqLU18 — Ecowas – Cedeao (@ecowas_cedeao) July 26, 2023 Manameloka ny fikasàna hanongam-panjakana ao Niger ny kaomisiônan'ny CEDEAO/ ECOWAS pic.twitter.com/0iYWCqLU18 — Ecowas – Cedeao (@ecowas_cedeao) 26 Jolay 2023 Manaraka azy, Moussa Faki Mahamat filohan'ny Firaisambe Afrikana dia manameloka ny famadihana ataon'ireo miaramila izay manadino ny adidy repoblikana iantsorohany : The Chairperson of the African Union Commission @AUC_MoussaFaki condemns the coup attempt in #Niger . https://t.co/bWYHc36OgU pic.twitter.com/kqtrX0xqWm — African Union (@_AfricanUnion) July 26, 2023 Manameloka ny fikasana fanonganam-panjakana ny Filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana @AUC_MoussaFaki #Niger . https://t.co/bWYHc36OgU pic.twitter.com/kqtrX0xqWm — African Union (@_AfricanUnion) 26 Jolay 2023 Maneho ny fanohanany ny filoha Bazoum ihany koa ny Vondrona Eoropeana sy Frantsa tamin'ny alalan'ny fiampangana ilay fanonganam-panjakana nataon'ireo miaramila. Josep Borrell Fontelles , solontena ambony avy amin'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny fiarovana sy ny raharaha ivelany dia manasongadina izany  ao anatin'ny bitsika nalefany manao hoe : Très préoccupé par les événements en cours à #Niamey . L’UE condamne toute tentative de déstabiliser la démocratie et menacer la stabilité du #Niger . L’UE s’associe aux déclarations du Président du Nigeria Tinubu au nom de la @ecowas_cedeao — Josep Borrell Fontelles (@JosepBorrellF) July 26, 2023 Tena manahy amin'ireo zava-mitranga mitohy ao #Niamey . Ny Vondrona Eoropeana dia manameloka ny fikasana rehetra hanakorontanana ny demokrasia sy mandrahona ny filaminana ao #Niger . Miray feo amin'ny fanambaran'ny Filohan'i Nigeria Tinubu amin'ny anaran'ny @ecowas_cedeao ny Vondrona Eoropeana — Josep Borrell Fontelles (@JosepBorrellF) 26 Jolay 2023 Manameloka ihany koa ilay fanonganam-panjakana ny Firenena Mikambana (ONU) sy Etazonia . Araka ny voalazan'ny gazety LeMatin , Stéphane Dujarric , mpitondra tenin'i Antonio Guterres , sekretera jeneralin'ny ONU dia manambara hoe : Ny sekretera jeneralin'ny ONU, Antonio Guterres, dia manameloka mafy ny fikasàna rehetra fakàna fahefana an-keriny sy fanimbàna ny fitantanana demokratika, ny fandriampahalemana ary ny filaminana ao Niger. Araka io loharanom-baovao io ihany, dia manamafy i Jake Sullivan mpanolotsaina amin'ny fiarovam-pirenena ao amin'ny Trano Fotsy fa : Melohinay tanteraka izay mety ho fikasàna haka na hanohintohinana ny fampandehanan-draharahan'ny governemanta demokratika voafidy tao Niger izahay, tarihan'ny Filoha Bazoum. Eo ampiandrasana ny fahafantarana izay ho mpitondra vaovao ao Niger, dia mbola tazonin'ireo miaramila putschistes eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika hatrany ny Filoha Mohamed Bazoum.
https://mg.globalvoices.org/2023/07/28/165219/
Resadresaka nifanaovana tamin'i Aïssatou Fofana, mpanao gazety mpanadihady ara-tontolo iainana ao Côte d'Ivoire
2023-07-28T06:52:58
Unknown
Pikantsary avy amin'ny tranonkala lecologiste Aïssatou Fofana, ivoariàna mpanao gazety mpanadihady mahay manokana ny tontolo iainana, mizara amin'ny Global Voices ny fahalinany sy ny fanamby atrehany amin'ny asany. Faha- 54 amina firenena miisa  180 ao anatin'ny fanomezana laharana erantany 2023 avy amin'ny Reporters Sans Frontières (RSF) i Côte d'Ivoire . Midika fihemorana toerana 17 izany, raha ampitahaina amin'ny filaharany tamin'ny 2022 izay nahazoany ny laharana faha- 37 .  Ao amin'ny firenen'i Alassane Dramane Ouattara , filohan'i Côte d'Ivoire hatramin'ny 2011, natao tsinontsinona ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety . Eny tokoa, matetika ireo Ivoariàna mpanao gazety no miatrika fampiantsoana ho any amin'ny mpitandro filaminana, ary ny hafa tsy maintsy miseho eny anatrehan'ny fitsaràna ao amin'ny firenena . Saingy misy sokajy iray voadona manokana: ireo mpanao gazety mpanadihady izay mazàna no iharan'ny fandrahonana, fandemena na fisamborana mihitsy amin'ny fanatanterahana ny asan-dry zareo, toy izay nanjo an'i Noël Konan tamin'ny Jolay 2022, nosamborina fa hoe nanàla baraka ary nohelohina handoa lamandy 4.600 dôlara amerikàna noho ny resaka bitsika iray monja. Na eo aza ireny ambana rehetra ireny, ny asa fanaovana gazety fanadihadiana no sehatra ankafizin'i Aïssatou Fofana . Vehivavy mpanao gazety manana fahaizana manokana momba ny resaka ekôlôjia, manam-piadiana maro izy eny an-tànany. Mpanorina ny media “ lecologiste ”, media iray manaraka lohahevitra firotsahana an-tsehatra mba hanatsaràna ny torohay momba ny tontolo iainana, nahazo ihany koa izy famatsiambola ho an'ny media tamin'ny 2022 avy amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna ,  izay nahazoany fiofanana avy amin'ny tambajotran'ireo mpanao gazety sy manampahaizana avy ao amin'ny tanibe. Aïssatou dia mpanampy ihany koa ny mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny Global Investigative Journalism Network (GIJN Afrique). Raha nihaona tamin'ny Global Voices tao Lomé, nanàla sarona momba ny zotra nodiaviny izy. Nasiam-panovàna ny tafa, teo amin'ny endrika sy ny halavany. Aïssatou Fofana nanao fitsidihana narahana fiofanana tao Johannesburg, Oktôbra 2022, Sary an'i Phil Kabuje ho an'ny Fiombonambe Afrikàna sy ny GIZ Jean Sovon (JS) : Ahoana no nahaterahan'ity fahalinanao ho amin'ny asa fanaovana gazety ity ? Aïssatou Fofana (AF) : Tsara tantana aho fony aho nanomboka ny asa fanaovana gazety tamin'ny 2014. Nandritra ny fandrakofana hetsika iray, nisy mpialoha làlana iray (olona iray nanomboka ilay asa talohako ary nanana traikefa an-taona maro) niresaka tamiko momba ny fikambanan'ireo mpanao gazety sy ireo matianina amin'ny media izay mivondrona anaty fikambanana iray mikirakira ny resaka momba ny rano, ny fahadiovana ary ny tontolo iainana. Araka izany dia nanapaka hevitra aho ny hiditra tao anatin'io tambajotra io, izay amin'ny alàlany no hahafahako hanoratra momba ireo olana mifandraika amin'ny tontolo iainana. Nandray anjara aho tamina hetsika fanentanana, izay nanome hevitra ahy momba izay hosoratana. Teny am-pandehanana teny, afaka ihany koa aho namorona bilaogy momba ny tontolo iainana izay mbola notohizako ny fanoratana ao, ary ankehitriny aho lasa manampahaziana manokana momba ireny resaka ireny. JS : Ianao dia iray amin'ireo vehivavy vitsivitsy manokan-tena ho an'ny tontolo iainana ao amin'ny firenenao. Inona no nanosika io fanolorantena io? Inona no zavatra nisongadina manokana? AF : Tsy resaka zavatra nisongadina io fa zavatra voamarika: efa ho feno folo taona izao aho no tao anatin'io sehatra io. Nandritra izany, tsy nahita teto Côte d’Ivoire aho media nanokan-tena ho amin'ireny olana ireny. Rehefa misy hetsika goavana monja vao mikira azy ireny ireo media efa misy, toy ny Conférences des Parties (COP), ohatra, na hetsika iray mifandraika amin'ny karazam-piainana. Tsy mikira resaka momba ny tontolo iainana ry zareo satria, ho azy ireo, tsy mampidi-bola izany. Niainga avy amin'izany ny zavatra voamariko ary dia niteny anakampo aho hoe, maninona moa raha mandranto fahaizana manokana aho ary miezaka mampahafantatra misimisy kokoa ny vahoaka momba ireny olana ireny. Niaraka tamin'ny mpiaramiasa iray izay manampahaizana amin'ireny resaka ireny, nanapaka hevitra izahay ny hamorona ny media “ lecologiste ” mba hanatsaràna indrindra indrindra ny torohay momba ny tontolo iainana, sy hanomezana azy lanja, velarana ary mpihaino bebe kokoa. JS : Ahoana no fisehon'ny media-nareo amin'izao fotoana izao? AF : Efa hatramin'ny Aprily 2022 no nisy ilay media, mbola tanora mihitsy araka izany. Nefa azo lazaina fa misarika fahalinana sahady satria ny lecologiste dia voafantina handray anjara amin'ny fandaharanasa Terra Africa an'ny Cfi Média & développement , fandaharanasa maharitra taona roa ary manome fahafahana ho ana mpanao gazety roa hanaraka fiofànana momba ireo olana mifandraika amin'ny tontolo iainana. Hirika goavana ho anay io. Koa satria izahay manokan-tena ho amin'ny fitsirihana ny zavamisy, ny asa fanaovana gazety fizahàna vahaolana ary ny asa fanaovana gazety fanadihadiana, izahay tsy voatery hikirakira ireo tena olana fa isisihanay kokoa ny momba ny kalitaon'ny lahatsoratray. Izany hoe, tsy handeha hamoaka lahatsoratra marobe isambolana mba hamoronana votoaty. Tena tianay ny lahatsoratray mba ho tena fitaratry ny hafatra tiana hiampita. Mandeha miadana saingy azo antoka! JS : Inona ireo fanamby atrehanao amin'ny maha-vehivavy mpanao gazety momba ny tontolo iainana? AF : Amin'ny ankapobeny, mifantoka kokoa amin'ny pôlitika, fanatanjahantena ary kolontsaina ireo mpanao gazety. Fa zara raha misy resaka tontolo iainana. Ny fanambiko dia ny hanao izay hahitàna kokoa ny resaka tontolo iainana satria zavamisy iray tena iainan'ny rehetra io. Manana ny anjara andraikiny ao anatin'io ady amin'ny fiovàn'ny toetrandro sy fiarovana ny tontolo iainana io ny media sy ny mpanao gazety. Tsy maintsy mahay mivoatra miaraka amin'ny fotoana, notazoniko tao an-tsaiko foana izany. Azoko atao ny nionona ho mpanao gazety an-taratasy tsotra fotsiny, saingy taorian'ny nitodihako ho amin'ny asa fanaovana gazety an-tambajotra, sy ny taoriana, dia mbola nampiana-tena aho mba ho lasa mpanao gazety mpanadihady satria tiako ny hivoatra mandrakariva ao anatin'ny sehatra misy ahy, mahazo traikefa sy fahaizamanao misimisy kokoa. Miaraka amin'ny fanaovana gazety fanadihadiana, dia hoy aho anakampo hoe azoko atao ny manome lanja bebe kokoa sy dikany bebe kokoa ny zavatra soratako. Mampiasa ireo fahalalàna siantifika mba hanohanana izay lazaiko. JS : Inona avy ireo fahasahiranana sedraina amin'ny maha-mpanao gazety fanadihadiana? Fandemena ve? Fandrahonana? Fanalàna baràka? AF : Tsy nisedra fandrahonana na fanalàna baràka aho, fa any amin'ny fikarohana vaovao no misy kokoa ny fahasahiranana. Rehefa manadihady, indraindray miatrika mpisehatra tsy voatery hamaly mihitsy. Mety haharitra am-bolana maro izany. Indraindray , mandra-pamoaka ny lahatsoratra momba ilay fanadihadiana, tsy mahita rirany mihitsy. JS : Ahoana no ataonao hialàna amin'ireny toedraharaha mibahana ny asanao ireny? AF : Amin'ny ankapobeny, eto Côte d’Ivoire, misy ny Vaomiera misahana ny fahazoana vaovao ho an'ny tombontsoan'ny daholobe sy ireo antontan-taratasim-panjakàna – Commission d'Accès à l'Information d'Intérêt Public et aux Documents Publics (CAIDP), fikambanana iray manampy ireo mpanao gazety sy ny olompirenena rehetra maniry ny hahazo torohay sasantsasany nefa misedra fandàvana na sakantsakana. Afaka manampy anao io fikambanana io mba hahazoana azy ireny. Fa eo amin'ny fanatanterahana azy, tsy dia izay loatra satria anatina tranga sansantsasany, azo idirana ireo torohay/vaovao, fa amin'ny tranga hafa kosa dia tsia. Ao anatin'io tarehin-javatra io, marihanay ao anaty lahatsoratra ny hoe “teo am-panaovana ny fanadihadiana, nandefa imailaka izahay na nifandray tamin'ny mpisehatra izatsy sy zaroa, saingy tsy nahazo valiny”. Dia avelanay ho ny mpamaky no hitsara. JS : Inona no ho ambaranao ho an'ireo tanora vehivavy mandray anao ho toy ny ohatra? AF : Ny torohevitro ho an'ireo tanora vavy, mametraha tanjona dia ifikiro. Miasà mba hahatanteraka ireo tanjonao ary milofosa satria ho avy ny fotoana tena hahasarotra izany. Mety ho voasarika mihitsy aza hiala an-daharana na hanova tsotra izao ny làlan-kizorana sy ny asa. Saingy rehefa tiana sy mazoto ary manana hevitra mazava momba izay tadiavina, dia miroso tsy miherikerika. Izany no ahafahako miroso na misy aza ny fahasahirànana. JS : Inona no tetikasanao vaovao? AF : Tohizako hatrany ny ho tsara kokoa. Tsy mihevitra ny ho efa manampahaizana manokana amin'ilay resaka aho,  Mbola maro no tokony hianarako. Ao anatin'ny fotoana maharitra,  tiako ny “ lecologiste ” ho apetraka amin'ny toerana maha-media tena manokan-tena tanteraka amin'ny resaka tontolo iainana ary ekena eo amin'ny sehatra nasiônaly sy manerantany.
https://mg.globalvoices.org/2023/08/10/165515/
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna #05
2023-08-10T13:24:26
Unknown
Ny fomba fiteny rosiàna “Enina andro aho tsy misakafo” dia dikanteny frantsay nampifanarahana amin'ny fitsipipitenanan rosiàna. Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”,  asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, nefa koa ireo tsy afaka adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa tsy nasiana fandikàna sy matetika maka dika vaovao mihitsy. Azonareo atao ihany koa ny mahita ireo fizaràna teo aloha, toy ny voalohany, ny faharoa ary ny fahatelo ary ny fahefatra . Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay: Dada antitra, indro ny zanakao (Vieux père, voilà ton fils): Ampiasaina ao Côte d’Ivoire io fomba fiteny io, any anatin'ny fitenin'ny làlana fantatra amin'ny anarana hoe Nouchi ary maneho fifangaroan'ny fiteny eo an-toerana amin'ny an'ny mpanjanaka. Hita ihany koa ny Nouchi any anatin'ny medià sy ny tambajotra sôsialy ary miha-miparitaka isanandro. Tamin'ny voalohany, ny hoe “vieux père” dia nampiasaina hanondroana ireo olona miditra amin'ny fahalehibeazana. Miaraka amin'ny fampiarahana azy amin'ireo voanteny hoe “voilà ton fils”, lasa manana hevitra feno fanajàna sy fankasitrahana ilay fomba fiteny, ampiasaina mba hiresahana amin'ny zokiolona iray izay angatahana sitraka noho izy manana toerana ambony. Bled : Ity teny arabo ity (بلاد – tononina hoe balad ) dia mety hidika zavatra maro:  tanàna, na faritra, na koa firenena niaviana. Araka izany, ao anatina toejavatra iainan'ireo diaspôra avy ao Maghreb  mpampiasa sy mpiteny frantsay, izy io dia manondro ny firenena niaviana, na indraindray ny vohitra nipoiran'ny fianakaviana. Ity hiran'i Reda Taliani ity sy ny an'ilay mpiangaly Rap, Rim K, dia manafangaro ny arabo alzeriàna sy ny frantsay, ary ny lohateniny dia hoe « fi bladi rani mahgour » ary manondro ny fahatanorana magrebinina lasa nankany ampitan'ny ranomasimbe mediteranea. Avy amin'ny fanondroana ny vohitra nonenan'ny razambe, nohamarinin'ny fiteny frantsay hatrany amin'ny Ady Lehibe Voalohany ho toy ny findràmana maro hafa natao avy amin'ny arabo alzeriàna, tafiditra ho teninjatovo frantsay ilay izy mba ho entina mamaritra , miaraka amina heviny somary manamaivana kely, ny toerana iray lavitra andriana sy mitokana any ambanivohitra. Ao anatin'ity lahatsoratry ny Global Voices ity, toy izao no hevitra ampiasàna ilay voanteny: “Manana anarana hafahafa ny roa amin-dry zareo : Cafundó [fanamarihan'ny mpandika: Izay azo adika, raha toa ka sahinao, hoe “lavabodin'izao tontolo izao” na tsaratsara kokoa “bled”]” Ao Alzeria, maka heviny iray hafa koa izy io arakaraky ny kolontsaina an-tanandehibe itanisàna azy. Ao Alger, ny hoe “aller au bled” dia midika hoe “mandeha mody an-tanàna”. Nefa kosa, ao Constantine , tanàna fahatelo ao amin'ny firenena, io fiteny io ihany dia midika hoe “mandeha any afovoan-tanàna”. Sarivongana ao Odessa mampiseho seza iray izy mitana toerana lehibe ao anatin'ilay tantara malaza noforoina “Ireo Seza Roambinifolo” nosoratan'i ‘Ilf sy Petrov. Saripika an'i Filip Noubel, fampiasàna nahazoana alàlana. же не манж па сис жур: Ity fehezantany malaza ho an'ny rosiàna ity dia fandikàna ho ‘cyrillique’ ilay fehezanteny frantsay hoe “je ne mange pas six jours” (Enina andro aho tsy misakafo). Avo roa heny ny fahalinana satria ny fitsipipitenena rosiàna no noraisiny, dia ilay mamaritra ny fotoana saingy tsy ilàna ny hoe  “depuis” (hatramin'ny) na ny filazam-potoana lasa izay ilain'ny fiteny frantsay ho entina milaza ny hoe “Tsy nisakafo aho nandritra ny enina andro / je n'ai pas mangé depuis six jours”, na ny hoe “Efa enina andro aho izay no tsy nisakafo / cela fait six jours que je n'ai pas mangé.” Marobe tamin'ireo seho tao anatin'ilay tantara no tao Odessa no nitranga, satria ilay tanàna, izay seranan-tsambo, dia malaza amin'ny fanaovana varomaizina sy fandrobàna. Narindra ho sarimihetsika ihany koa ilay tantara noforonina, araka izay re ao anatin'ity tsonga ao amin'ny Youtube ity, izay ianaran'ilay mpilalao manonona ireo fiteny ireo amin'ny fiteny vahiny : Tamin'izany fotoana izany, ny ampahany betsaka tamin'ireo andriana rosiàna, izay tena mazàna ny fiteny frantsay no nampiasainy voalohany, dia namoy ireo  tombontsoa rehetra taorian'ny revôlisiôna bolsevika tamin'ny 1917 ary indraindray voatery nangataka mba ho velona. Ny fampiasàna ny fiteny frantsay dia marika ara-tsosialy amantarana ny saranga lavo. Ankehitriny, ireo mpiteny rosiàna no mampiasa matetika io fehezanteny io, ry zareo te- haka tàhaka ny frantsay saingy tsy voatery hiteny azy kosa. Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org
https://mg.globalvoices.org/2023/08/09/165429/
Burkina-Faso : Fahalotoana mahatsiravin'ny rivotra ao Ouagadougou vokatry ny fikatsahana tombontsoa pôlitika
2023-08-09T11:22:15
Unknown
Kodiarana midotra. Saripika an'i Alex_Ishchenko tao amin'ny Deposit Photos . Nampiasàna ny lisansa CC BY 4. 0 Afaka jerena ao amin'ny tranonkala CENOZO ity lahatsoratra ity. Nosoratana izy ity taorian'ny fanadihadiana iray notontosain'i Sandrine BADO niaraka tamin'ny fanohanan'ny CENOZO. Ity dika nokiraina ity dia navoaka ho anatin'ny fifanarahana nifanaovan'ny Global Voices sy CENOZO. Indray marainan'ny Desambra 2016 tao Pissy , tanàna iray ao andrefan'i Ouagadougou (renivohitr'i Burkina Faso ), nilazàna ny mpianatra tao amin'ny lisea Bassenéré mba handeha hody. Tamin'io andro io, tsy vitan'ireo mpampianatra ny hanatanteraka ny fandaharam-pampianaran-dry zareo noho ireo setroka mainty matevina nameno ny efitrano fianarana. Taona enina aty aoriana, tsy nisy zavatra niova. Ankoatra ireo mpianatra sy ny mpampianatra azy ireo, an'arivony maro koa ireo Borkinabe miaina sy miasa ao amin'io tanàna io no mizaka saika isanandro ny setroka feno poizina ateraky ny fitrandrahana ara-pombandrazana sy tsy am-piheverana ny toerana iray famakiana granita. Fa maninona io toerana famakiana vato mipetraka afovoan-tanàna io no miteraka setroka be ? Inona no fiantraikan'ireny setroka ireny amin'ny fahasalaman'ny olona? Inona no ambaran'ireo manampahefana momba io toedraharaha io ? Ao ambadiky ny Société nationale burkinabè d’hydrocarbures (SONABHY) sy ny toby miaramila Sangoulé Lamizana , mivelatra amina velarantany efa ho efatra hektara eo ho eo ilay toerana famakiana granita ao Pissy. Ao afovoany, misy lavaka be mitanatàna efa ho an-jatony metatra ny halaliny ary mamoaka setroka sarotra fohana. Toedraharaha iray iainan'ireo mponina ao amin'ilay tanàna efa nandritra ny 20 taona mahery. Sekoly, fitantanan-draharaham-panjakana ary tokandrano ao amin'ilay tanàna, samy mitaraina avokoa amin'ny fanelingelenana aterak'ireny setroka ireny isanandro. Kodiarana navangongo hodorana ao amin'ilay toerana. Saripika an'i Sandrine Bado, nahazoana alàlana Ao akaikin'ilay toerana famakiana vato, misy ny biraon'ny sampandraharaha famahoana (décentralisé) ny hetra. Manamafy ny solontenan'ny mpiasa ao amin'io sampandraharaha io, Salif Yago, fa tena manelingelina be tokoa ny setroka avy amin'ilay toerana famakiana vato. Amin'ny ankapobeny, rehefa mirotsaka ny haizina no tena tsikaritray ny setroka, ary ny ampitson'iny dia tsy maintsy sokafana daholo ny varavarankelinay mba hivoahan'izay ambina setroka tavela. Dia sasatry ny marary foana izahay eto. Tsy miala amin'ny toerana misy anay ny sery sy ny kohoka. Amafisiny ihany koa fa efa im-betsaka izy ireo no nanaitra ny sain'ireo tomponandraikitra ao amin'ilay toerana momba ny fahavoazana aterak'ireo setroka, saingy tena tsy nisy ny fanatsaràna. Toa hoe nisy mpianatra tsy nahatsiaro tena nandritra ny fotoana fampianarana, noho ireo setroka avy amin'ilay toerana famakiana vato. Mba hahafantarana misimisy kokoa momba izany, nifanao fotoana izahay tamin'i Tapsoba Adelaïde, prôvizera tomponandraikitry ny lisea Bassenéré izay iray toerana amin'ilay toerana famakiana vato. Tao amin'ny biraon'ilay prôvizera, nangatsiatsiaka ny fandraisana. Fijery verivery any rehetra any, toy ny tsy dia nasiany dikany loatra ireo fanontaniana ary novalivaliana fahatany, avy eo izy nanazava : Efa an-taona maro io toerana io no teo….Efa nanaovana antso ry zareo, saingy tsy nanakana an-dry zareo tamin'ny fanohizana ny asany izany. Rehefa matevina be ny setroka, tenenina ry zareo dia vonoiny mba hampihena ny setroka. Hatreto aloha dia miara-miasa tsara ry zareo rehefa tairina. Momba ireo ankizy hoe tsy nahatsiaro tena, tsy afaka milaza aho hoe noho ny setroka, mila dokotera ny amin'izany. Fa ny azoko ambara, na marary na tsia, manelingelina ilay setroka, manaikitra ny maso, mampangidihidy ny tenda. Rehefa nanontaniana, tsy nafenin'ny sasany tamin'ireo ray aman-drenin'ny mpianatra ny hatezeran-dry zareo manoloana ny fanelingelenana ateraky ny setroka avy ao amin'io toerana famakiana granita io. Ahoana hoy ireo manampahefana mahefa? Na teo aza ireo antso marobe nataon'ireo mponina ao an-tanàna, mbola mitoetra hatrany ilay toedraharaha ary vao mainka aza miharatsy, satria dia mandeha tsara ny asa ataon'ilay toerana fitrandrahana. Manoloana ny zavamisy, najoron'ireo mponina ny “komity” iray hiadiana amin'io fandotoana ny atmosfera io. Nijoro hatramin'ny 2016, io komity io dia misarika ny sain'ireo tomponandraikitry ny kaominina. Ny 7 Desambra 2016, nisy taratasy iray napetraka tao amin'ny lapan'ny tanàna, boriborintany faha-3, nitanisa ny kalvery iainan'ireo mponina, saingy tsy misy tohiny hatreto. Ny 19 Desambra 2016, nisy taratasy iray hafa napetraka. Ny 28 Desambra 2016, tao anaty valinteny iray ho an'ilay taratasy napetrak'ilay komity, ny sekretera jeneraly taloha tao amin'ny boriborintany faha-3, Sébastien Kima, dia nanome toky tamin'ny filazana fa miasa ho an'ny tombontsoan'ny vahoaka. Notsindriany fa efa nanasa ireo manampahefana ao amin'ny kaominina izy mba hijery akaiky ilay olana. Ny 23 sy 24 Janoary 2017, ireo sampandraharaha ao amin'ny kaominina, indrindra fa ny kaomisiôna misahana ny raharaha ankapobeny sy ny kaomisiôna misahana ny tontolo iainana sy ny fampivoarana eo an-toerana, dia nikarakara fihaonana niarahana tamin'ireo mpitrandraka avy amin'ilay toerana famakiana vato sy ny mpikambana avy ao amin'ilay komitin'ny tolom-bahoaka. Araka ny tatitra avy amin'io fihaonana io, nanazava ireo avy amin'ny mpitrandraka fa ny setroka dia avy amin'ny kodiarana dorana mba hanamora ny famakiana ny granita. Mahagaga, taorian'io fihaonana io, tsy nisy fanapahankevitra mivaingana noraisina mba hanakànana, na farafahakeliny hanamaivanana, ny toedraharaha. Tohizan'ilay komitin'ny tolom-bahoaka ny fandefasana taratasy hafa, na ho an'ny lapan'ny tanàna izany, na ho an'ny ministera misahana ny fitantanana ny atitany, saingy indrisy fa tsy misy ahazoana valiny mahafapo. Lavaka fitrandrahana vato granita, saripika an'i Sandrine Bado, fampiasàna nahazoana alàlana Toeram-pitrandrahana tsy misy akory, karakaraina noho ny tombontsoa pôlitika miafina Ny fanontaniana goavana ao anatin'ity raharaha ity dia ny momba ilay orinasa manana ny fahazoandàlana hitrandraka ny toerana. Araka ny vaovao eo am-pelatànana, tsy voarakitra ao anatin'ny kadasitry ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany ao Borkina Fasso ilay toerana famakiana vato. Izay indrindra, izy dia isan'ireo toerana fitrandrahana manaraka ny “fombandrazana”, izay ny fandaminana asa sy ny fomba ampiasaina dia mitondra amin'ny fiantsoana azy hoe « toeram-pitrandrahana tsy mivaky loha ». Araka ny loharanom-baovao hafa anefa, an'ny toby miaramila Sangoulé Lamizana ilay faritra. Tena mandoto be mihitsy, araka izany dia tsy ara-dalàna ilay toerana famakiana granita ao Pissy ary tsy mitondra mihitsy vola ho an'ny kitapon-ketra, na izany ho an'ny fanjakàna, na ho an'ny kaominina, na ireo tomponandraikitra eo an-toerana. Hoy i Roland Batiebo, mpanolotsaina fahiny tao amin'ny boriborintany faha-3, “tsy mandray hetra amin'ilay toerana fitrandrahana vato ny kaominina, saingy marobe ireo mpisehatra pôlitika no mahazo tombontsoa ao amin'ny fifidianana”. Manazava izy : “Nandritra ny fepotoam-piasanay tamin'ny 2017″, hoy izy nanohy, “nanoratra ny vahoaka nitakiany ny handroahana ireo mpandraharaha. Napetraka ny fanontaniana nandritra ny fotoam-pivoriana iray tao amin'ny Filankevi-pitantanana, saingy efa nahafantatra ny tomponandraikitry ny kaominina fa tsy ho vita izany, satria ilaina ny fankatoavan'ny Filankevitra manontolo. Misy ireo vehivavy mananontena no nandao ny kaominina hafa mba hiasa ao amin'ilay toerana famakiana vato, araka izany dia saropady ilay olana”. (…) Na i Bala Sakandé aza, filoha fahiny tao amin'ny Antenimieram-Pirenena, dia tonga nanatitra fanampiana ho an'ireo mpiasa teo amin'ilay toerana, na dia mijaly aza ny mponina manodidina… Anaty aloky ny fitrandrahana mandoto Mba hahatakarana ny fizotr'ilay fitrandrahana miteraka setroka be, ny fomba tsara indrindra dia ny manao izay hidirana ao ho toy ny vehivavy mpiasa mpamotika granita. Eny tokoa, tena asam-behivavy izy io na eo aza ny setroka, ny tabataban'ny maritoa sy ny fandraka. Ireo antontana vato granita mipetraka etsy sy eroa no amantarana ny fidirana ao amin'ilay toerana. Ery lavidavitra, misy ireo vehivavy mipetraka ambanina karazana tranokely vita tamin'ny hazo sy rovi-damba. Lavidavitra kely indray, misy lava iray lehibe fakàna ny granita. Ao anatin'io lavaka io, misy zaratany marobe izay samy manana mpitrandraka ho tompony tsirairay avy. Lehibe iray mpanaramaso ny toerana no mizara ireny zaratany ireny, izay ny fahelàny teo amin'ilay toerana fitrandrahana no nahazoany ny laharam-pahamboniany. Misy dingana telo manomboka any amin'ny famotipotehana ireo vato, ka hatrany amin'ny famarotana azy. Ny voalohany dia ahitàna ireo mpitrandraka zaratany izay mamakivaky ny granita ka mivarotra azy amin'ny endrika bolongana. Eo anelanelan'ny 500 FCFA (0,84 dôlara amerikàna) sy 750 FCFA (1,25 dôlara amerikàna) ny vidin'ny vato granita iray koveta. Ny dingana faharoa dia mampifandray ny mpanelanelana ireo mpitrandraka sy ireo vehivavy mpamotika vato. Ireny mpanelanelana ireny, tanora matanjaka amin'ny ankapobeny, no mividy bolongam-bato ao an-davaka ary mandeha mivarotra ary ireny amin'ireo vehivavy mpamotika, amin'ny vidiny eo anelanelan'ny  750 FCFA (1,25 dôlara ameikàna) sy 1000 FCFA (1,67 dôlara amerikàna), arakaraky ny haben'ny bolongana. Ny dingana fahatelo sady farany dia ny famotipotehan'ireo vehivavy ireo bolongana granita, ary indraindray aza dia ankizy. Tanora mivoaka avy ao an-davaka fitrandrahana miaraka amina bolongana granita eny an-tampon-dohany. Saripika an'i Sandrine Bado, fampiasàna nahazoana alàlana Dame Nikiema Awa izay niasa efa ho roampolo taona tao amin'ilay toerana no manazava ny fandehan'ny varotra : Amin'olontsotra sy ireo mpandraharaha ihany izahay no mivarotra ny granitanay. Ho an'ny resaka varotra, vantany vao tonga ny fiara, mihazakazaka izahay manatona an-dry zareo miaraka amin'ny kovetanay feno granita.  1250 FCFA (2,09 dôlara amerikàna) no ivarotanay ny granita iray koveta. Saingy tato anatin'ny fotoana fohy, noho ny toedraharaha teto amin'ny firenena, nanapakevitra ireo mpividy fa 1000 FCFA (1,67 dôlara amerikàna) no ividianany ny iray koveta, izay tsy mety aminay. Tsy maintsy marihana fa anatin'ny tsy iadian-kevitra, tsy ny fampiasàna kodiarana efa niasa ihany no hany fomba afaka entina hamakiana sy hakàna ny granita. Fantatra ny fisian'ireo fomba hafa, indrindra fa ny fampiasàna dinamita. Saingy io fomba io dia tsy hoe fotsiny lafo be, fa koa, ary indrindra indrindra, tsy sosokevitra tsara aroso noho ny toerana misy ilay toerana fitrandrahana manakaiky toeram-ponenana sy toby miaramila. Granita voapotipotika efa navangongo. Saripika an'i Sandrine Bado, fampiasàna nahazoana alàlana Fiantraikany ara-pahasalamàna Misy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny olombelona sy ny tontolo iainana ny fitrandrahana granita amin'ireny fepetra tsizarizary ireny. Araka ny lazain'i Cheick Ahmed Dao, dokotera manokana momba ny fahasalamana amin'ny asa, ny famotehana vato dia tsy hoe fotsiny miteraka fandotoana sofina (pollution sonore), fa koa ny fandefasana vovoka eny ami'ny atmosfera, ary entona sy fofona. Manazava izy hoe ny mety ho fiantraikan'ny fandoroana miteraka setroka any amin'ny fahasalamàna dia miankina indrindra indrindra amin'ny faharetan'ny nilonan'ny olona, ny habetsaky ny vovoka nofohany, ny toepahasalaman'ilay olona ary ny habetsahan'ny setroka sy vovoka eny amin'ny rivotra. Ireo kodiarana mirehitra dia mandefa poti-javatra faran'izay madinika kely, miaraka amin'ny hydrocarbures aromatiques polycycliques , metaly sy entona toy ny dioxyde-na solifara, araka ny tatitry ny Ivontoerana Nasiônaly Misahana ny Tontolo Iainana sy ny Loza (INERIS) izay maminavina ho 100 gr ny fatrana singa madinika tsy hita maso alefan'ny kodiarana iray kilao nodorana. Ireo olona tena idonan'izany dia ireo izay mipetraka manakaiky ireo toerana fandoroana, na lalovan'ny rivotra mitondra ilay setroka, saingy ny zavatra rehetra dia miankina amin'ny faharetan'ny fotoana nilonana sy ny hakitrok'ireo singa tsy hita maso. Ireny singa ireny dia mahatonga ny fisefoana ho sarotra na miteraka kohoka. Ireny singa madinika dia madinika ireny dia mety vao mainka hanamafy ireo aretina mpahazo ny fo sy ny taovam-pisefoana efa nisy tao amin'ilay olona. Ny olona tena mizaka ny vokany dia ny ankizy, ireo zokiolona, ary mora voan'ny dona ratsin'ny fifohana setroka maharitra ireo olona tratry ny aretin'ny fo na taovam-pisefoana, toy ny sohika, ny bronchite mitaiza, ny emphysème sy ireo mora iharan'ny tsy fahatomombanan'ny fo. Na eo aza ireny ambana rehetra ireny, mitohy mandoto ny rivotra iainan'ireo olona an'arivony maro hatrany ny toerana famakiana vato ao Pissy, nefa tsy ivakian'ny manampahefana loha.
https://mg.globalvoices.org/2023/07/27/165186/
Fitazonana maharitra mpikatroka iray, niteraka hatezerana tao Angola
2023-07-27T08:26:09
Unknown
Tamin'ny Febroary 2021, tanora mpikatroka iray atao hoe Gilson da Silva Moreira, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Tanaice Neutro, no nosamborina noho ny filazàna azy ho naniratsira ny filoha angôley, João Lourenço, teo amin'ny tambajotra sosialy. Nahitana teny toy ny hoe “jiolahimboto” sy “mahatsikaiky” nanondroana an'i Lourenço ireo faniratsiràna ireo. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, voaheloka sazy miantona herintaona sy telo volana i Neutro tamin'ny didim-pitsarana nampahafantarina ny besinimaro tamin'ny Oktobra 2022. Na izany aza, ny olona rehetra fantatra fa meloka amin'ny famotsifotsiana Fanjakana, sy ireo marika maneho azy ary ireo sehatra misy azy – anisan'ireo vesatra niampangàna an'i Neutro – dia matetika takiana hanefa ny saziny any am-ponja. Rehefa nambara ny didim-pitsarana dia nanao fampakàrana ny  minisiteran'ny Fitsarana. Nilaza ho afa-po tamin'ilay sazy mihantona ny mpisolovava mpiaro ilay mpikatroka, na dia nampalahelo azy aza ny fotoana lanin'i Neutro tany am-ponja – 15 volana. Iray tamin'ireo fanamarinana naroso mba hamoahana an'i Neutro ivelan'ny fonja ny fiharatsian'ny fahasalamany, satria efa narary izy talohan'ny nandefasana azy tany am-ponja, sy nohon'ny sambany nanaovany heloka – saingy tsy nampiharina velively ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity. Vokatr'izay dia nigadra foana ilay mpikatroka hatramin'ny nisamborana azy tamin'ny taona 2021, ary mitohy miha-ratsy hatrany ny fahasalamany. Izany no antony nahatonga ny Tambajotra Mpiaro ny zon'olombelona ao Atsimon'i Afrika, tamin'ny alalan'ny filohany, Adriano Nuvunga, handà ny fitazonana tsy ara-drariny ilay Angôley mpikatroka. Ao anatin'ny lahatsary eto ambany, navoaka tamin'ny tambajotra tamin'ny 5 Jona lasa teo dia nalefa ny antso vonjy ho famoahana an'i Tanaice Neutro : #Angola | As SouthernDefenders we stand in active solidarity with and demand the immediate and unconditional release of Tanaice Neutro, an HRD who has spent over 500 days in illegal detention. #JusticeDelayedIsJusticeDenied ! @AngolaBriefing @Angolans pic.twitter.com/jlrIS71m5H — SouthernDefenders (@SAHRDNetwork) June 5, 2023 #Angola | Amin'ny maha-SouthernDefenders, am-pahavitrihana no hiraisanay hina sy hitakianay ny famoahana tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra an'i Tanaice Neutro, mpiaro ny zon'olombelona efa nahavita mihoatra ny 500 andro tany am-ponja tsy ara-drariny. #JusticeDelayedIsJusticeDenied ! @AngolaBriefing @Angolans pic.twitter.com/jlrIS71m5H — SouthernDefenders (@SAHRDNetwork) 5 Jona 2023 Misy ihany koa ireo fitarainana marobe an-tambajotra hanoherana ny fitazonana ilay Angôley mpikatroka : A perseguição a ativistas e manifestantes é uma realidade em Angola que tem de acabar! O Activista Tanaice Neutro já cumpriu a pena de 15 meses de pena suspensa, mas até hoje continua na cadeia? Porquê? Não se sabe! Não fique em silêncio @antoniocostapm @amnistiapt — Cídia Chissungo (@Cidiachissungo) June 5, 2023 Zava-misy ao angola izay mila atsahatra ny fanenjehana ireo mpikatroka sy ireo mpanao fihetsiketsehana ! Efa sazy mihantona 15 volana no vitan'i Tanaice Neutro tany am-ponja, saingy mbola any am-ponja foana ve izy hatramin'izao ? Nahoana ? Tsy fantatra ! Aza mangina @antoniocostapm @amnistiapt — Cídia Chissungo (@Cidiachissungo) 5 Jona 2023 As autoridades angolanas têm de acabar já com a violência policial contra manifestantes pacíficos! O Activista Tanaice Neutro completa hoje 507 dias na prisão por protestar. #Freetanaice Não fique em silêncio @antoniocostapm . @amnistiapt — Cídia Chissungo (@Cidiachissungo) June 5, 2023 Tokony atsahatr'ireo manam-pahefana Angôley dieny izao ny herisetra ataon'ny pôlisy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana! Nahavita sazy 507 andro tany amponja noho ny hetsika nataony ilay mpikatroka Tanaice Neutro ankehitriny. #Freetanaice Aza mangina @antoniocostapm. @amnistiapt — Cídia Chissungo (@Cidiachissungo) 5 Jona 2023 Ny Amnesty International ao Pôrtiogaly dia nanararaotra ny fitsidihan'ny Praiminisitr'i Pôrtiogaly, António Costa, tao Angôla, izay natao tamin'ny 5 hatramin'ny 7 Jona, mba hampahafantarana ny toe-draharaha : Junte-se a nós e diga a @antoniocostapm que os Direitos Humanos têm que fazer parte da agenda oficial da sua visita a Angola! Veja como fazer nos comentários / respostas a este tweet. pic.twitter.com/BGJOLViRqd — Amnistia Portugal (@amnistiapt) June 5, 2023 Miaraha aminay ary teneno @antoniocostapm hoe ny Zon'Olombelona dia tsy maintsy ampidirina ao anatin'ny fandaharanasa ôfisialin'ny fitsidihanao an'i Angôla! Jereo ny fomba fanaovana izany any anatin'ireo fanehoankevitra/valiny amin'ity bitsika ity. pic.twitter.com/BGJOLViRqd — Amnesty Portugal (@amnistiapt) 5 Jona 2023 Milaza ny tatitra avy amin'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona fa miha-ratsy ny fahasalaman'i Tanaice Neutro, ka izany no anton'ireo antso marobe ho amin'ny famotsorana azy, mba hisitraka fitsaboana sahaza ivelan'ny fonja. Tanaice Neutro has been imprisoned for more than 500 days, solely for his peaceful activism. He desperately needs urgent medical care, which the authorities are denying him. Join us in demanding the immediate and unconditional release of Tanaice by the Angolan authorities. pic.twitter.com/SRPi13pPoB — AmnestySouthernAfrica (@AmnestySARO) June 2, 2023 Nofonjaina nandritra ny 500 andro mahery i Tanaice Neutro, noho ny fikatrohana am-pilaminana fotsiny. Tena mila fitsaboana maika izy, izay lavin'ireo manam-pahefana tsy homena azy. Miaraha aminay mba hitaky amin'ireo manam-pahefana hamoaka tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra an'i Tanaice. pic.twitter.com/SRPi13pPoB — AmnestySouthernAfrica (@AmnestySARO) 2 Jona 2023
https://mg.globalvoices.org/2023/07/20/165159/
Nahatonga fihetsiketseham-panoherana sy fahafatesan'olona maro ny fiakaran'ny vidin'ny lasantsy ao Angola
2023-07-20T04:06:50
Unknown
Mpanao fihetsiketsehana mitazona sora-baventy mivaky hoe, ‘Tsy andevo ny vahoaka’ ao Luanda, Angola. Saripika namboarin'i Luaty Beirão, nahazoana alalana. Nambaran'ny governemantan'i Angola, tamin'ny alàlan'ny minisi-panjakana misahana ny fandrindrana ara-toekarena, Manuel Nunes Júnior, tamin'ny 1 Jona ny fiakaran'ny vidin-tsolika ao amin'ny firenena, taorian'ny fanambaràn'ny governemanta ny hanesorana tsikelikely ny ( subvention) fanampim-bidin-dasantsy. Araka izany, niakatra avy amin'ny 160 kwanzas teo aloha ho 300 kwanzas isaky ny litatra (avy amin'ny 0,26 dolara amerikana ka hatramin'ny 0,49 dolara amerikana) ny vidiny, fa mbola tazonina kosa ny fanampiana ho an'ny sehatry ny fambolena sy ny jono. Tsy miova hatramin’ny faran’ity taona ity kosa ny fanampim-bola ho an’ny vokatra hafa toy ny gazoala, ny etona fandrehitra ary ny solitany. Raha ny nambaran’ny minisitra, dia omena “ subvention ” (fanampin-tsarandalana) ny mpamily taxi sy taxi-moto, ka mbola hitohy hatrany, mandritra ny fotoana tsy voafaritra, ny fandoavana 160 kwanzas isaky ny litatra amin’ny lasantsy, ka ny Fanjakana no miantoka ny elanelana. Saingy, tsy mihatra amin'ny mpamily taxi rehetra io fanampiana io, ka ny ampitson'ny nampiharana ny vidi-dasantsy vaovao, tanàna maro any Angola no nifoha hanao fihetsiketsehana. Ho setrin'izany dia nisy ny tatitra fisian'ny herisetra nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, mpamily taxi ny ankamaroany. Nisy aza ny iray amin'ireo tati-baovao nilaza fahafatesana nateraky ny bala tena izy avy amin'ny mpitandro ny filaminana ao amin'ny firenena mihitsy. Nisioka ny toe-draharaha i Mwene Vunongue, mpikatroka ara-tsosialy izay nanaraka ny toe-draharaha tao Angola : A greve de taxistas e de moto taxistas subiu de tom no Lubango. 😭 Lembrar que ontem houve uma manifestação no Huambo, onde a polícia fez 5 mortos. A subida do preço da gasolina e a não atribuição do cartão de taxista é o assunto central. pic.twitter.com/VQDc257dUn — Mwene Vunongue (@Dasmangas) June 6, 2023 Nitombo ny fitokonan’ny mpamily fiarakaretsaka sy ny mpitondra moto tao Lubango. Tsiahivina fa nisy fihetsiketsehana tao Huambo omaly, namono nahafaty olona 5 ny polisy. Ny fiakaran’ny vidin-dasantsy sy ny tsy fanomezana karatra maha-mpamily taxi no tena olana. Nisy tatitra hafa momba ny fihetsiketsehana, anisan'izany ny mpanao gazety sady mpiandraikitra mpikaroky ny Human Rights Watch, Zenaida Machado: Polícia angolana dispara mortalmente contra protesto sobre preço dos combustíveis. Governo deve investigar e processar adequadamente as mortes, com objectivo de introduzir medidas para incutir respeito pelos direitos humanos nas forças de segurança. https://t.co/r3LOiWPs1G — Zenaida Machado (@zenaidamz) June 6, 2023 Nitifitra nahafaty olona nanohitra ny vidin-tsolika ny polisy Angoley. Tokony hanao fanadihadiana araka ny tokony ho izy ny fitondram-panjakana sy hitsara (ny amin'ireo) olona namoy ny ainy, mba hisian'ny fepetra hampidirana ny fanajana ny zon'olombelona eo anivon'ny mpitandro ny filaminana. Ilay mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, Luaty Beirão, dia nampiseho afisy iray niampanga ny antokon'ny fitondrana ao amin'ny firenena, MPLA , ho tompon'andraikitra voalohany amin'ny fahatezerana tsapa ao amin'ny firenena: Quão profundo é o “buraco” na @sonangoloficial ??? @crosado , que analisa todos os números publicados disse na rádio que é impossível saber. #casoopacidade pic.twitter.com/kDOHtEzdmL — Luaty Beirão (@LuatyBeirao) June 5, 2023 Tahaka ny ahoana ny halalin'ny “lavaka” ao @sonangoloficial ??? @crosado, izay mamakafaka ny isa rehetra navoaka, dia nilaza tamin'ny radio fa tsy azo fantarina izany. Nisy olom-pirenena hafa nanameloka ny fampiasana bala tena izy, izay fanaon'ny polisy Angoley mandritra ny fihetsiketsehana, araka ny voamarika tao amin'ny Twitter: Isso tem um nome: Terrorismo de Estado. Só o facto de avançarem, ostensivamente, com a arma em riste a disparar, sem fogo inverso, já é algo que que está para lá das linhas vermelhas de qq força policial. O grande problema é quando esses “terroristas” tb são apanhados num beco. — Pierrot le Fou 🤡🤖 (@janelaberta_AO) June 6, 2023 Manana anarana izao hoe: Fampihorohoroan'ny Fanjakana. Ny firoson’izy ireo fotsiny, tsikaritra, basy an-tanana sady mitifitra, tsy misy mifampitifitra aminy, dia efa fihoarana ny tsipika mena ataon'ny polisy. Ny olana lehibe dia rehefa tratra an-dalantsara ihany koa ireo “mpampihorohoro” ireo. Na izany aza, fantatra fa tsy vaovao ny fahatezeran'ny vahoaka, manoloana ny fihetsiketsehan'ny polisy ao Angola, hoy i Zenaida Machado: Angolan authorities’ use of force against people who are simply exercising their right to protest needs to stop. Govt should ensure efforts to ban or organize street trade are conducted by officers operating w/ respect for human rights. @irac3lma @hrw https://t.co/lTtUl1aiVm — Zenaida Machado (@zenaidamz) June 2, 2023 Mila atsahatra ny fampiasan'ny manampahefana Angoley hery amin'ny olona mampiasa ny zony hanao fihetsiketsehana. Tokony hiantohan'ny governemanta ny ezaka fandraràna na fandaminana ny varotra an-dalambe ataon'ireo manamboninahitra anaty fanajana ny zon'olombelona. Tamin'ny 17 Jona, nanao hetsi-panoherana indray ny Angoley, ary toy ny teo aloha, nampiasa angovo sy herisetra ny polisy mba tsy hitohizan'ny diabe. Sem qualquer fundamento, a polícia decide reprimir uma manifestação que estava a decorrer sem qualquer tipo de sobressalto ou incidente. A pessoa racional indaga-se porquê, mas isto ultrapassa a lógica da mente democrática. #benguela #manif17jun pic.twitter.com/soVWisvIP4 — Movimento Civico (@MovCivicoMudei) June 17, 2023 Tsy nisy antony, nanapa-kevitra ny polisy ny hamoritra ny fihetsiketsehana tsy nahitana fanafintohinana na tranga. Manontany tena ny olona misaina hoe nahoana, saingy mihoatra amin'ny fanjohin-kevitra demaokratika izany. Ridículos, patéticos #manif17jun https://t.co/xwn4XLx2NS — Luaty Beirão (@LuatyBeirao) June 17, 2023 Mampihomehy, mampalahelo #manif17jun Niaiky ny polisy Angoley fa nampiasa hery tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tany amin'ny faritanin'i Luanda sy Benguela izay notadiavin'izy ireo hohamarinina tamin'ny filazana fa noho ny tsy fanarahana ny lalana napetraky ny manampahefana no nahatonga izany. Na izany aza, nolavin'ny mpikarakara izany fiampangana izany ary niampanga ny polisy ho nitifitra olona tsy mitam-piadiana.
https://mg.globalvoices.org/2023/07/18/165152/
Ao Afrika, sahirana ireo fiteny teratany vao mahazo fankatoavana ho tena ilaina
2023-07-18T08:39:30
Unknown
Pikantsary tamin'ny YouTube an'i Gracia Divina Togo Ao Afrika, mifanehatra amin'ny fanjakazakan'ireo fiteny nivoaka avy amin'ny fanjanahana ara-tantara sy ara-toekarena ireo fiteny eo an-toerana, ao koa ny tsy fisian'ny finiavana ara-pôlitika avy amin'ireo governemanta afrikàna. Tamin'ny 2019, ny vahoaka tao amin'ilay tanibe dia notombanana ho nihoatra ny 1,3 lavitrisa (tanibe faharoa be mponina indrindra eto an-tany manaraka an'i Azia) ary tsy mitsahatra ny mitombo. Io no manazava, ohatra, ny fitomboan'ny isan'ireo mpampiasa ny fiteny frantsay manerana ny tany, izay ny ny ankamaroany dia hita ao Afrika amin'izao fotoana izao . Misy fiteny eny an-toerana, mihoatra ny 2 000, nosokajiana ho anaty fianakaviana fiteny dimy ao Afrika: ireo fiteny nizeriàna-kôngôley , ireo fiteny afrô-aziatika , ireo fiteny khoïsan , ireo fiteny ôstrôneziàna sy nilô-sahariàna . Ampolony monja amin'ireny fiteny eny an-toerana ireny no hita fa tena ampiasaina be , isan'izany: ny swahili (mihoatra ny 150 tapitrisa no miteny azy), ny haoussa (manakaiky ny 79 tapitrisa), ny yorouba ( 6o tapitrisa), ny peul ( mihoatra ny 50 tapitrisa), ny oromo ( mihoatra ny  35 tapitrisa), nyigbo (20 hatramin'ny 35 tapitrisa), ny amharique (mihoatra ny 29 tapitrisa), ny zoulou (mihoatra ny 27 tapitrisa), ny lingala ( 20 tapitrisa), ny bambara (mihoatra ny 15 tapitrisa), ny kirundi ( 12 tapitrisa) ary ny shona (7 tapitrisa). Eo anilan'ireo fiteny fototra ireo, ny ankamaroan'ireo hafa dia zara raha ifampiresahana satria vitsy monja ireo olona mpiteny azy. Nanomboka 2003 , misy firenena afrikàna maromaro, ary indrindra fa ireo mampiasa sy miteny frantsay, no niditra tamina fanavaozana ho ao anatin'ny ezaka ataony ho fitarihana ny fampianarana amin'ireo fiteny eo an-toerana sy nasiônaly. Fa na teo aza ireo ezaka nataon'ireo rehetra mpiara-mitan-tsoroka, miady mafy tokoa ireny fiteny ireny mba hahita ny toerany manoloana ireo fiteny lazaina fa “ôfisialy”, toy ny anglisy, ny frantsay, ny arabo na koa ny pôrtiogey. Ireny fiteny ireny – ankoatry ny arabo – dia noterena ho ampiasain'ireo firenena afrikàna nandritra ny vanimpotoana fanjanahantany ary dia voatazona, nanomboka tamin'ny taona 50 sy 60, ho toy ny fiteny nasiônaly taorian'ny nahazoana fahaleovantena nambaran'ireo governemanta vaovao . Ny fifandraisan'ireo fiteny sy ny toekarena Ny fivoaran'ireo fiteny eo an-toerana dia manome tondro lehibe momba ny fandrosoana satria izy ireny dia ahafahan'ireo vondrompiarahamonina eo an-toerana handray malaky ny torohay fototra sy ny fampitomboana ny vola miditra . Na izany aza, midona amin'ny zavamisy tena henjana ara-toekarena ireny fiteny ireny, izay manome vàhana ireo fiteny lazaina hoe iraisampirenena. Araka izany, tsy mbola nisy mihitsy ny tohana ho an'ny fampianarana amin'ireo fiteny eo an-toerana ka hoe mba naroson'ny Francophonie , izay ny iraka voalohany tontosainy dia ny fampiroboroboana ny frantsay (misy 120 ny mpiteny azy ao Afrika ). Tsy misy hafa amin'izany ny an'ireo fiteny hafa, indrindra fa ny ‘ anglisy (mihoatra ny 200 tapitrisa ny mpiteny azy ), ny arabo (150 tapitrisa) ary ny pôrtiogey ( 40 tapitrisa)’  ifampiresahana ao amin'ilay tanibe. Manampy trotraka an'io ny fanatontoloana izay manery ny vahoaka ao amin'ilay tanibe handray fiteny iray manjakazaka hasolony an'ireo ifampiresahany any an-tranon-dry zareo. Io anton-javatra io dia mamatotra ny elatr'ireo fandaharanasa raitra natao hanomezana lanja ireo fiteny eny an-toerana natombok'ireo governemanta afrikàna sasantsasany, ankoatra an'i Afrika Atsimo izay miavaka, manana fiteny ôfisialy miisa 11 ka ny sivy amin'ireo dia fiteny teratany. Misy anton-javatra hafa mandray anjara amin'io tsy fitoviana io: ny ankamaroan'ireo tambajotra sôsialy dia efa narafitra sy nomanina avy hatrany horaisina amin'ireo fiteny manana dindo goavana, toy ny anglisy. Etsy ankilany, ireo mpanakanto dia mazàna no mahatsapa ho toy ny voatery hihira amin'ny fiteny anglisy mba hanantenàna hahazo olona misimisy kokoa eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Ny anglisy, izay mijanona ho fitenim-pandraharahàna, dia ifampiresahana manerana izao tontolo izao ary tiana kokoa miohatra amin'ireo fiteny hafa. Ohatra fotsiny, tamin'ny 2008, ny filoha Paul Kagamé dia nanolo ny fiteny frantsay tamin'ny anglisy, tao Roandà ary nametraka ity farany ho fiteny entina mampianatra ao anatin'ny rafi-pampianarana, nefa ny fireneny dia mpikambana tao amin'ny francophonie efa hatramin'ny 1970. Hoy izy, tao anaty lahatsoratra iray navoakan'ny La Presse : Ataonay lohalaharana ny fiteny izay hahatonga ny taranakay hahomby kokoa ary hanosika ny vinanay ho fampandrosoana ny firenena. Teo aloha, tsara kokoa ho an'ny fandraharahàna ny anglisy ary toa nanamora ny fidiran'ny firenena ho ao anatin'ny Vondron'ireo firenena ao Afrika Atsinanana, izay miteny anglisy ny mpikambana ao aminy (Kenià, Ogandà ary Tanzania). Safidy iray stratejika saingy mamaly ny hetahetan'ilay firenena hisokatra amin'ny fanatontoloana mba hanomezana hirika misimisy kokoa ho an'ny vahoakany. Ho an'i Aimé Gavor, tôgôley mpampianatra, mipetraka ao Lomé, ary nitafàn'ny Global Voices, ireny hirika vaovao ireny dia mametraka ho amin'ny toerana sarotra ny pôlitikan'ireo firenena afrikàna izay manandratra ny fiteny eo an-toerana, manoloana ny anglisy, fa eo koa ny shinoa ‘mandarin': Amin'izao fotoana izao, ny fiteny anglisy dia manome fahafahana betsaka sy tombony tsy tambo ho isaina ho an'ireo rehetra olona afaka manaporofo amin'io fiteny io hoe manana ny fahaizana sy fahafehezana manokana ny asa iray. Na ireo ray aman-dreny amin'izao androntsika izao aza, aleon-dry zareo mametraka ny zanany any amina sekoly ahafahana mianatra sy mifehy haingana ny fiteny anglisy dieny mbola hatrany amin'ny fahazazàna. Shina, izay efa miha-hita be ao Afrika, dia mampiasa vola any amin'ny fampianarana sy ny fanelezana ny fiteny “mandarin” mba hahatonga azy ho fiteny iraisampirenena, ka anisan'izany ny ao amin'ilay tanibe. Araka izany, dia marobe ireo governemanta afrikàna no mampiditra io fiteny io ho any anatin'ny fandaharam-pianarany, ohatra amin'izany i Afrika Atsimo tamin'ny 2015 sy Ogandà  tamin'ny 2019, araka ny lazain'ity lahatsary fanadihadiana an'ny CGTN amin'ny fiteny frantsay ity : Ao Ghana, hita io finiavana io tamin'ny 2022 nandritra ny kaonferansa iray, izay nohamafisin'Atoa Divine Yao Ayidzoe, tale ao amin'ny ministeran'ny fampianarana, tao anaty lahatsoratra iray navoakan'ny gazety Le Monde: Jereo ny fitaran'ny toekarena shinoa, io no toekarena faharoa manerana ny tany. Tsy mila lazaina intsony ny hoe hanana vintana goavana ireo izay manana ny fahafahana hianatra ny fitenin'ny shinoa [mandritra ny fotoam-pianarany]. Gavor manampy hoe: Amin'ny alàlan'ny fametrahana ireo ivontoerana Confucius any amin'ireo firenena afrikàna, andraman'ny Shinoa ny hametraka ny fiteniny. Na iza na iza te-hiasa any anatin'ny orinasan-dry zareo, tsy maintsy mahafehy ny “mandarin”. Endrika vaovaon'ny fanjanahana amin'ny alàlan'ny fiteny. Ovain'ireo mpikatroka ho an'ny fiteny ny fitsipi-dalao Na tsy mamiratra aza ny toedraharaha amin'ny resaka fampiroboroboana ireo fiteny eny an-toerana, misy tara-panantenana ihany entin'ireo  santatr'andraikitra sasantsasany avy amin'ny fiarahamonina sivily sy ireo mpikatroka. Ao Tôgô, na maneho ny finiavany aza ny governemanta mba hanome lanja ireo fiteny eo an-toerana, toa tsy hita ao anaty tetibolam-pirenena ny vola atokana ho an'ny fampiroboroboana ireo fiteny dimampolo ifampiresahana ao amin'ilay firenena. Tsy misy afa-tsy ireo fikambanana toy ny Coordination pour la Promotion des langues Nationales au Togo (COPLAN-TOGO) no miezaka manao izay vitan-dry zareo amin'ny alàlan'ireo hetsika ataony. Eo ankilan'ny COPLAN, ny Académie Kabiyè dia manokan-tena hanome lanja io fiteny io. Na kely aza ny vintana, manohy ny asany ireo mpisehatra avy amin'ny fiarahamonina sivily. Ny vovonana Technologies et Innovations pour le Développement Durable (TIDD), ohatra, dia mampivondrona ireo mpisehatra mba hifampizara sy hifanakalo hevitra momba ny anjara toerana raisin'ireo fiteny eny an-toerana amin'ny fampiatiana nomerika. Café Des Makers : Nous y sommes ! “Faire de nos langues locales un puissant outil d'inclusion” #Numérique #langueslocales #idemiafrica #fablelab #tgtwittos pic.twitter.com/uQDRb5FKKe — TIDD (@tiddafrica) July 8, 2023 Café Des Makers : Eo indrindra isika izao! “Famadihana ny fitenintsika eo an-toerana ho lasa fitaovana fampiatiana mahery vaika” #Numérique #langueslocales #idemiafrica #fablelab #tgtwittos pic.twitter.com/uQDRb5FKKe — TIDD (@tiddafrica) 8 Jolay 2023 Eny anaty tambajotra sôsialy, ezahan'ireo tanora ny hampiseho ny talentan-dry zareo amin'ny fanaovana hatsikana anaty lahatsary natao amin'ny fiteny éwé sy kabyè ao amin'ny fantsona YouTube : Indro ny lahatsary TikTok mampianatra ny ampahany samihafa amin'ny vatan'olombelona, amin'ny fiteny Ewe: Capture d'écran du compte Tiktok de Loveling5 Mbola tena mijanona ho fanamby ny firoboroboana sy ny fivoaran'ireo fiteny eny an-toerana, ary mitaky, tsy hoe fitaovana fotsiny, fa koa fandavantena pôlitika ao Afrika. Raha tsy misy an'izany ireo fiteny eny an-toerana dia mbola ho voakenda foana eo anelanelan'ireo fiteny tandrefana nivoaka avy any amin'ny vanimpotoana fanjanahana sy ireo nafantsiky ny kôlônialisma amin'ny endriny vaovao.
https://mg.globalvoices.org/2023/07/17/165129/
Ahoana ny hamolavolan'ny media ankihy ny hevitry ny daholobe momba ny fahatezana ara-tontolo iainana ao Nigeria
2023-07-17T11:14:20
Unknown
Sary mampiseho havoanam-pako ao amin'ny vondrom-piarahamonina iray ao Ogun, Nigeria. Image avy amin’ Yemi Festus ao amin'ny Wikimedia Commons ( CC BY-SA 4.0 ). Avy amin'i Iretomiwa Adio Miha-manandanja hatrany ny anjara toeran'ny fampitam-baovao ankihy amin'ny fanefena fiteny ampahibemaso sy ny fahazakàna ara-tontolo iainana noho ireo fanamby ara-tontolo iainana isan-karazany itoloman'i Nigerià. Lasa ho fanoitra matanjaka hanaovam-panentanana sy hanetsehana vondrom-piarahamonina ireo sehatra media ankihy, toa ny media sosialy sy tranokalam-baovao anjotra. Nitana anjara toerana tamin'ny filazana ireo laharam-pahamehana ho eo anoloana, toa ny fianahan'ny solika matetika ao amin'ny Vinanin'i Niger ka hatramin'ny halatra solika sy ny fandavaham-pantsona tsy ara-dalàna any amin'ireo fanjakana manodidina. Lasa fantsona iankinan'ny ain-dehibe hampielezana vaovao sy hanombohana resaka momba ireo raharaha lehibe ireo izany. Na dia manana fahefana hamolavola ny hevitry ny besinimaro amin'ny fomba tsara aza ireo sehatra fampitam-baovao ankihy ireo, dia manana ny otrika hihazona ny vaovao tsy ho hitan'ny daholobe ihany koa izy ireo, ka manome vahana ny vola.  Afa-mahatratra, manetsika vondrom-piarahamonina, ary mampahafantatra azy ireo ny hetsika ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ireo sehatra ireo, saingy afa-mampitambolombolona ny vaovao amin'ireo vondrom-piarahamonina efa nahazo vaovao miverimberina. Noho izany, mety tsy hahazo ny vaovao ilaina sy mahasoa hitondra fanovana ny sarambabem-bahoaka, raha avela hahazo tanteraka ny raharaha eo am-pelatanana. Namoaka famakafakana lalina momba ny fanamby ara-tontolo iainana ao Nizeria, anisan'izany ny fandotoana, ny faharatsian'ny fahadiovana ary ny fandripahana ala ny gazety mitondra ny lohateny hoe “ Environmental Challenges Awareness in Nigeria: A Review ,” navoakan'ny African Journal of Environment and Natural Science Research tamin'ny herintaona. Nantitranterina tao ny maha-zava-dehibe fampakarana ny fanentanana mpitomboana sy ny fepetra mahatsinjo hiatrehana amim-pahombiazana ireo olana maika ireo. Ahiahy iray hafa ny tsy fanaovan'ny olom-pirenena ho laharam-pahamehana ny olana ara-tontolo iainana sy ny fahazakàna izany. Araka ny voalaza ao amin'ny bilaogy iray nataon'i Edidiong Daniel tao amin'ny The Eco Writer , dia toa tsy ahitana fiahiana ara-tontolo iainana eo amin'ny Nizeriana. Tsy ampy ny fampahafantarana amin'ny fiantraikan'ny zavatra ataontsika eo amin'ny tontolo iainana araka ny tokony ho izy isika, ary tsy tena azontsika tsara ny dikan'izany. Na dia afa-mampifantoka ny saina amin'ireo olana ara-tontolo iainana ireo aza ireo sehatra toa ny Instagram, Twitter, ary Facebook, dia matetika mijanona ho voafetra amin'ny farangoteny na amin'ny taria Twitter fotsiny izy ireo. Ny olana, noho izany, dia tsy mipetraka amin'ny sehatra ampiasaintsika hifampizaràna vaovao fa amin'ny fomba mahomby ampiasantsika azy ireo mba hampiroboroboana ny fifanakalozan-kevitra sy ny firotsahana eo amin'ny samy Nizeriana momba ireo raharaha goavana ireo. Tsy izany hatrany koa no mitranga. Ohatra iray mifanohitra amin'ny toe-javatra teo aloha ny Clean Nigeria Campaign (fanentanana Nigeria Madio) , natomboka tamin'ny taona 2018 amin'ny tanjona hanafoana ny fangerena ankalamanjana ao amin'ny firenena amin'ny taona 2025. Tondroin'ny tatitra nataon'izy ireo fa tamin'ny taona 2018, Nizeriana 47 tapitrisa no mpangery an-kalamanjana, izay mitarika fahafatesan-jaza 100.000 mahery isan-taona, ka ny 90 isanjaton’ireo fahafatesana ireo dia mifandray amin’ny tsy fahadiovan'ny rano, araka ny tatitra nataon’ny UNICEF . Ongoing awareness campaign, #SayNoTo Open Defecation, at Nyaya Motor Park…🚽🛁 #2020WorldToiletDay pic.twitter.com/J8eKf8UHVb — EHSDivision, Federal Ministry of Environment. (@EHS_Division) November 16, 2020 Hetsika fanentanana mitohy, [Ilazao tsia amin'ny] fangerena ankalamanjana, ao amin'ny Nyaya Motor Park… Nampiasa ny fampiarahan'ny fitambaran'ny sehatra media ankihy, fiaraha-miasa amin'ny vondrom-piarahamonina, ary resaka tao amin'ny media sosialy ny fanentanana. Natao ho laharam-pahamehana ny fanabeazana araka ny tokony ho izy momba ny olana sady nasongadiny fa olana iraisana mitaky ny ezaky ny tsirairay ny famahana izany. Vokatr'izany, tamin'ny Oktobra 2022, ny fanjakana Jigawa no nambara ho fanjakana voalohany tsy misy fangerena ankalamanjana ao amin'ny firenena. Io zava-bita io no nampihena be ny tahan'ny kôlerà teo amin'ny fiaraha-monina sy nampihena ny fahafatesan'ny zaza. Tsy ny halehibeny no tena mampiavaka an'ireo hetsika roa ireo, fa ny fahombiazan'ny fampitam-baovao ankihy mba hisarika ny sain'ny besinimaro momba ny lanja omentsika ny tontolo iainana. Raha nanaparitaka vaovao tamin'ny fomba mahomby ny hetsika voalohany ary namokatra fanadihadiana mifantoka amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny lohahevitra misongadina, dia mbola tolona ny hanombohan-dresaka izay hiitatra mihoatra izany. Tokony hampiroborobo ny fifanakalozan-kevitra izay miroborobo amin'ny tontolo tena izy ny fanentanana ankihy mahomby, mihoatra ny fampitam-baovao voalohany. Mifanohitra amin'izany kosa, nandray ny hetsika ivelan'ny aterineto, nifanerasera tamin'ireo vondrom-piarahamonina voakasik'izany eny ifotony ary niteraka fiovana tena izy mandeha tsikelikely kosa ny fanentanana farany. Ankoatra izany, manahy ny amin'ny fahatongavan'ny vaovao any amin'ny daholobe ny mpanao gazety sasany sy ny fifanitsiany amin'ny fomba fijerin'ny Nizeriana momba ny fahazakàna ara-tontolo iainana. Tao amin'ny gazety iray nataon'i Evelyn Tagbo , mpanao gazety Nizeriana, dia tsikaritra fa latsaky ny 0,1 isanjaton'ny lahatsoratra navoakan'ny gazety Nizeriana roa nandritra ny roa na telo volana no niresaka fiovan'ny toetrandro. Nanatsoaka hevitra ihany koa ny fanadihadiana fa mbola olana goavana ny hantsana lehibe eo amin'ny fahatakaran'ny vahoaka ny fiovan'ny toetr'andro sy ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro marina any amin'ny faritra. Azon'ny fampiasantsika sehatra media ankihy ampiana tsara ny resaka ampahibemaso momba ny tontolo iainana sy ny fiovaovan'ny toetrandro. Na izany aza, kitro ifaharana ny fananantsika fahatakarana lalina tsy ny amin'ny fampiasana mahomby an'ireo sehatra ireo ihany fa amin'ny anjara asany manandanja amin'ny famolavolana ny saim-bahoaka momba ny resaka tontolo iainana. Ny fanabeazana no lakile amin'ny fianarana ny fomba fampiasana ireo sehatra ireo hampitana hafatra amin'ny fomba mahasarika. Fototra ny fahafantarana ny maha-zava-dehibe ny fandehanana mihoatra ny sehatry ny farangoteny, ny tarian'ny Twitter, ary ny ranty Facebook, ary miasa am-pahavitrihana mametraka fiovana azo tsapain-tanana sy manan-danja eo amin'ny fiarahamonintsika.
https://mg.globalvoices.org/2023/07/11/165049/
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna #03
2023-07-11T05:59:58
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Slovo [Voambolana] manazava ny niandohan'ny fiteny rosiàna hoe “charomyjnik”. Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”,  asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, nefa koa ireo tsy afaka adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa tsy nasiana fandikàna sy matetika maka dika vaovao mihitsy. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Slovo [Voambolana] manazava ny niandohan'ny fiteny rosiàna hoe “charomyjnik”. Ny fizaràna voalohany dia hitanareo ato , ary ny faharoa ato . Androany izahay dia nisafidy ireto teny telo ireto: Coming out. (Mivoaka) Tsy voadika ho amin'ny frantsay ity fomba fiteny anglisy ity. Ny vondrona SOS Homophobie no manome ity famaritana manaraka ity: “Famborahana an-tsitrapo ny fironany ara-pananahana na ny maripamantarana ny tenany”. Azo ambara, ohatra, hoe misy olona iray “ hanao coming out “, na misy olona iray ” tsy out “, raha toa ilay olona ka tsy nanao izany. Mba hiresahana ireo zavatra notazonina ho tsiambaratelo , ohatra ny fomba fijery pôlitika dia azo ampiasaina ihany koa ilay fomba fiteny. Io fomba fiteny io dia nalaina mivantana avy amin'ilay fomba fitenin'ny anglisy hoe “ coming out of the closet ” (ara-bakiteny “mivoaka avy ao anaty fampirimana entana”), lasa fiteny mahazatra tany antenantenan'ny taonjato faha-roapolo. Tany ampiandohana, ny teny hoe “closet” raha ny marina dia midika hoe efitra, avy amin'izany no nentina nilazàna ny fiainana ara-pananahan'ny olona iray. Tany amin'ny taona 1990 tany, niely teny amin'ny frantsay ilay fomba fiteny, ary ireo mitovitovy hevitra aminy dia ny: “déclarer publiquement son homosexualité (manambara ampahibemaso ny maha-pelaka azy)”,  na koa “dévoiler son orientation sexuelle (mamboraka ny fironany ara-pananahana)”. Na izany aza, ny “faire coming out ” no mijanona ho fomba fiteny ankafizina, na amin'ny fiainana andavanandro na eny anaty haino-vaky-jery. Araka izany, ny lahatsoratra iray tato amin'ny Global Voices tamin'ny 2016  dia mitondra lohateny hoe “ Lasa Malaza be Tamin'ny Aterineto Any Taïwan Ilay Dokambarotry Ny McDonald Maneho Lehilahy Mamboraka Amin-drainy hoe Pelaka izy ” “Le viens on reste” Ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay, na ao Kamerona izany, na any amin'ny faritra Grands Lacs, ary indrindra fa ao Roandà, io fomba fiteny io dia milaza ny “tokantrano maso”. Somary manana fijery manambany izay izy io amin'ny ankapobeny. Tany am-piandohany dia ireo mpianatra nanapaka hevitra ny hiara-mipetraka na dia tsy  mbola mpivady aza no tena nampiasa indrindra  azy io. Ity andian-tantara kameroney ity dia ahitàna fizaràna iray izay mitondra indrindra ny lohateny hoe “ Le Viens On Reste ”: Шаромыжник [charomyjnik] Io teny tena rosiàna io dia toa hoe  avy amin'ny… frantsay. Amin'ny fiteny rosiàna ankehitriny, “mpangataka” no dikany, ary mitondra matetika mankany amin'ireo olona rehetra mivelona amin'ny fiankinana amin'ny hafa. Ampiasaina io teny io, indrindra fa any anatin'ireo hira sy ireo fomba fiteny malaza entina hanesoana an'ireo mivelona manao katsentsitra fotsiny. Kanefa, ny nipoiran'ilay voambolana, araka ireo etimôlôjia sasany , dia tonga hatrany amin'ny fampielezankevitra nataon'i Napoléon tao Rosia. Izany tokoa, nandritra ny fisintahan'ny tafika frantsay tamin'ny 1812, ireo miaramila refon'ny hanoanana sy ngolin'ny hatsiaka ary nangataka tamin'ireo Rosiàna tantsaha dia nanomboka ny fehezantenin-dry zareo tamin'ny hoe : “ cher ami ”. Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org
https://mg.globalvoices.org/2023/07/05/164932/
Ao Togo, mpanao gazety notolorana loka noho ny ady ataony amin'ny kolikoly, voatery miaina an-tsesitany
2023-07-05T12:48:45
Unknown
Pikantsary avy amin'ny kaonty YouTube an'i Ferdinand Ayité Ao Togo, nahazoan'ny mpanao gazety iray fankasitrahana iraisam-pirenena ny fahavononany sy ny faharetany, saingy nosandaina fiainana an-tsesitany. Ny fanomezana laharana 2023 nataon'ny Reporters Sans Frontières (RSF) momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety dia mametraka an'i Togo ho amin'ny toerana faha-70 amin'ireo firenena 180. Raha mitaha amin'ny fanomezana laharana 2022 (faha-100 tamin'ny 180), mba vitan'ny firenen'i Faure Essozimna Gnassingbe , filoha hatramin'ny 2005, ny nahavita dingana nankany aloha ka nahazo toerana 30, saingy mbola mampanahy hatrany ny toedraharaha. Eny tokoa, tena miaina kolikoly henjana ny firenena: araka ny Tondro Fijerena ny Kolikoly an'ny ONG Transparency International , mitàna ny laharana faha-130 amin'ireo firenena 180 i Togo, miaraka amin'ny naoty 30/100. Io naoty io dia manazava ny haavon'ny kolikoly eny amin'ny sehatry ny asam-panjakana ao amin'ilay firenena, amin'ny tondro miainga amin'ny 0 (tena mpanao kolikoly) mankamin'ny 100 (tena madio). Tsy misalasala mihitsy anefa ny gazety iray, L'Alternative , izay mamoaka lahatsoratra sy resadresaka ao amin'ny YouTube, manao fanadihadiana momba ireo raharaha kolikoly sy fanitsakitsahana zon'olombelona. Ferdinand Ayité , lehiben'io gazety io dia efa im-betsaka no niatrika ny fitsaràna tôgôley. Araka izany, tamin'ny Desambra 2021, Kodzo Adédzé , minisitry ny varotra ary i Pius Agbétomey, mpitahiry tombokase, minisitry ny fitsaràna sy fanaovan-dalàna dia nametraka fitoriana an'i Ayité sy Joël Egah, talen'ny gazety Fraternité ho nanao teny manala baràka tao anaty fandaharana iray azo raisina amin'ny YouTube : Isidore Kouwonou, tonian-dahatsoratry ny gazety “L'Alternative” sady mpanentana ny fandaharany, dia voasaringotra koa tamin'ilay raharaha. Noho ny fahitan'izy ireo loza mananontanoa ny fiainany, nandositra niala ny firenena i Ayité sy Kouwonou andro vitsy monja talohan'ny fitsaràna farany tamin'ny 8 Martsa 2023. Ny 15 Martsa 2023, voaheloka nandritra ny fitsaràna tsy natrehany mivantana ireo mpanao gazety roa ireo mba hifonja telo taona an-tranomazina sy handoa lamandy 3 tapitrisa FCFA (4 981 dôlara amerikàna) noho ny “fanimbazimbàna manampahefana” sy “fanelezana fanambaràna diso teny anaty tambajotra sôsialy”. Ny 29 Jona 2023, tany an-tsesitany araka izany no nandraisan'ilay mpanao gazety mpanadihady ny antso nilaza taminy fa izy no nahazo ny loka iraisampirenena 2023 ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, avy amin'ny Kaomity ho fiarovana ny mpanao gazety . Izy no hany Afrikàna nilahatra tamin'ireo telo hafa nahazo loka, izay tsy iza fa ry Nika Gvaramia avy any Zeôriza, Shahina K.K avy any India ary María Teresa Montaño avy any Meksika. Tao anaty tafa iray an-tambajotra, niarahana nanatontosa tamin'ny hain-vaky-jery tôgôley Plume d'Afrique , niresaka tamin'i Ferdinand Ayité ny Global Voices : Vao avy nahazo ny loka iraisampirenena 2023 momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ianao, avy amin'ny kaomity mpiaro ny mpanao gazety. Inona no fihetsehampo voalohany tao aminao taorian'io hosotra io ? Ferdinand Ayité (FA) : Sady fihetsehampo feno fireharehàna no mangidy. Voalohany dia fireharehàna satria loka iray azo lazaina ho manana ny hajany io, ary ny fahafantarana hoe izaho no hany Tôgôley sy Afrikàna nahazo io loka io tamin'ity taona ity dia tena  mamelombelona. Fihetsehampo mangidy satria ity loka ity dia tonga indrindra ao anatin'ny fotoana izay, ao anivon'ny trano fanoratanay, tena misedra olana goavana izahay. Eny an-kianja aho dia manana mpiara-miasa marobe izay tsy afaka miasa intsony ankehitriny satria tsy any an-tanindrazana aho. Ny fahafantarana fa hoe tsy afaka manao izay zavatra hainy intsony ireo andriambavilanitra sy tanora ireo, dia ny asa fanaovana gazety izany, dia tena fahatsapàna mangidy. Izany no manetsika ahy amin'izao fotoana izao. Lazao anay fohifohy ny dingana nodiavinao sy ny amin'izay nitolona ho anao? FA : 15 taona mahery izao, natombokay io tetikasa io, nantsoinay hoe ‘‘L’Alternative’’ ary nanomboka niasa tamin'izany izahay niaraka tamin'ny lehiben'ny fanoratana tao amiko tamin'izany fotoana izany, Maxime Domegni, izay efa eo amin'ny sehatra iraisampirenena ankehitriny. Nandia ny làlanay teny izahay, nizàka fanosoram-potaka, fanenjehana sy filàm-baniny teny amin'ny fitsaràna sy ara-pitantanana, ny fonja, ny fanamelohana ary ankehitriny ny fiainana an-tsesitany ! Heveriko fa ny fahafahanay mijoro hatrany na teo aza ireny tranga rehetra ireny no nahatonga ity izaho kely ity ho nahazo ilay loka teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Vokatry ny fiaretana izany satria any ananona any, angamba noho ny nizakàna fanenjehana, dia niala an-daharana ny sasany. Izao tsy nilavo lefona velively, na herintaona sy tapany aza izay, no nivoaka ny fonja niaraka tamin'ilay mpiaramiasa amiko izay indrisy fa efa nodimandry, handry am-piadanana anie ny fanahiny! Betsaka anie ny feo niakatra mba hilaza aminay hiato. Fa naveriko ireo fandaharako tao amin'ny  YouTube, toy ny hoe tsy nisy na inona na inona. Heveriko fa any ho any, any lavitra any, misy olona nijery izay nanjo anay tao an-tanindrazanay. Ora vitsy taorian'ny hosotra azonao, nanoratra ianao hoe « tara-pahazavana ao anatin'ity ranomasimben'ny fahasahiranana izay diavinay amin'izao fotoana ity», ny inona no tianao hambara amin'izany ? FA : Ny toe-draharaha misy ahy sy ny an'ny tonian-dahatsoratro no lazaiko. Tamin'ny 15 Martsa lasa teo, nohelohina izahay hifonja telo taona, narahana didy iraisampirenena ho fampisamborana. Tsy maintsy nandao ny firenena, ary dia mpandositra izao no ilazàna anay. Sarotra sady mampalahelo ny hoe aty ivelany, lavitra fianakaviana sy ray aman-dreny, izay izy ireo koa, iharan'ny filàm-baniny ao an-tanindrazana. Manoloana ireny tranga rehetra ireny sy ny toe-draharaha misy anay amin'izao fotoana izao, no tsy maintsy nanaovako iny fanambaràna iny. Tena sarotra be ho anay mpanao gazety ny hoe voatery hiaina toe-draharaha tahaka izao. Raha manao jery todika, heverinao ve hoe nandeha lavitra loatra tao anatin'ny fanolorantenanareo ianareo mba hisian'ny gazety malalaka ao Togo ? FA : Tsia, rehefa manana fotokevitra sy soatoavina, ary rehefa miaro azy ireny, tsy misy mihitsy ny hoe nandeha lavitra loatra. Efa filohan'ny SOS Journaliste en danger aho, [fikambanana iray misy ireo tôgôley mpanao gazety miaro ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety], nanao fihetsiketsehana tao Togo izahay mba hitakiana ny fisintonana ireo lalàna sy fepetra sasantsasany, saingy nodarohana sy nandefasana entona. Rehefa hita amin'izao fotoana izao hoe misy afaka mandefa mpanao gazety any am-ponja, tena azo lazaina ho henjana izany ho ana firenena iray milaza fa demaokratika. Raha mbola tsy manana gazety tena malalaka sy tsy miankina izay mandray anjara amin'ny fanamafisana ny demaokrasia amin'ny alàlan'ny fahazoan'ny vahoaka vaovao an-kalalahana, izay voafaritra ao anatin'ny Lalàm-panorenanay, dia tsy misy mandeha lavitra loatra velively mihitsy. Atolotrao ho an'iza io loka io? FA : Atolotro ho an'ny gazety tôgôley satria miaina zava-manahirana izy amin'izao fotoana izao. Na ny haino aman-jery izany, izay mizaka fahasahirànana ara-bola ireo mpanorina azy, na ireo mpanao gazety izay sahirana vao mahazo ny karaman-dry zareo, tsy dia matetika misy miresaka ireny olana ireny.  Toy izany koa, anaty toe-javatra mampidi-doza ireo gazety an-tsoratra: tsy mivoaka intsony amin'izao fotoana izao ny sasantsasany amin'ny gazety, na tsy araka ny fotoana tokony hivoahany noho ireny teritery ara-bola ireny. Ankehitriny, tsy mahaleotena io asa fanaovana gazety io, satria ny voalohany indrindra dia ara-bola ny fahaleovantena. Tokony ho tsapa fa ny asa fanaovana gazety dia tena anaty hantsana mangitsokitsoka tanteraka. Tao anatin'ny dimy taona farany, am-polony ireo mpanao gazety maty, ary ny ankamaroany dia maty satria tsy nanana fahafahana hitsabo tena. Tsy ny mpanao gzety irery no tokony ho taitra amin'izany fa na ireo manampahefana aza. Tsy vaninm-potoanan'ny mpanao gazety mitatitra tsotra fotsiny no misy antsika izao, satria izany, miaraka amin'ny fisian'ny tambajotra sôsialy, afaka manao azy daholo ny olompirenana rehetra. Ny olana dia ny habaka tsy ahafahantsika mivoatra, tsy ahafahana manana fitaovana afaka ampiharana ny lalàna. Hikaoka vody vilany ireo mpanao gazety tsy miankina, manadihady mba hamoahana indray ireo antontan-taratasy hahafahantsika manitsy ny lesoka eny anivon'ny fiarahamonina.
https://mg.globalvoices.org/2023/07/06/164840/
Nitondra ho amina fanararaotana bebe kokoa ny fialàna tamin'i Taïwan ka nisafidianana an'i Shina: tafa niarahana tamin'ilay Kameroney mpikaroka, Richard Atimniraye Nyelade
2023-07-06T11:34:06
Unknown
Sarin'i Richard Richard Atimniraye Nyelade, nahazoana alàlana Toy ny ankamaroan'ireo firenena afrikàna dia manana tantaram-pikisahana amin'ny fifandraisana diplaomatika avy amin'i Republic of China (ROC ao Taiwan) nankany amin'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina (Pékin) i Kamerona. Ankehitriny, tena voafetra be ny fifandraisana misy amin'i Taipei sy Yaoundé, ary zara raha misy mandalina. Raha momba ny fifandraisan'i Pékin sy Yaoundé indray, izay mivelatra amin'ny sehatra marobe, dia mitondra ihany koa ny endrika fanararaotana manokana ataony amin'ny vahoaka kameroney izy ireny. Amin'ny ankapobeny, ny fahitàna an'i Taïwan ao Afrika dia voafetra ho amina fifandraisana diplaomatika feno iarahany amin'i Eswatini [fr], sy birao iray mpisolo tena ao Somaliland [fr], firenena iray izay, toa an'i  Taïwan, tsy misy mpankato afa-tsy firenena vitsivitsy ary tsy mpikambana ao amin'ny ONU. Mijanona ho voafetra ihany koa ny varotra ifanaovan'i  Taïwan sy Afrika, satria na iray aza tsy misy firenena afrikàna hita ao anatin'ireo 25 tena mpiaramiasa ara-barotra amin'i Taïwan. Mba hamantarana ny fomba fijerin'ny Afrika an'i Taïwan, sy i Shina ihany koa, ny Global Voices dia nitafa tamin'ilay Kameroney mpikaroka, Dr Richard Atimniraye Nyelade, izay manomana amin'izao fotoana izao ny “doctorat faharoany” momba ny antrôpôlôjia ao amin'ny Oniversite Ottawa ao Kanadà. Ao Taïwan izy izao no mipetraka amin'ny maha-mpisitraka vatsimpianarana azy, nomen'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny ao  Taïwan sy ny Filankevitry ny Fikarohana momba ny Siansa Maha-Olona ao Kanadà. Ny fahalinany amin'ny fikarohana dia mifantoka indrindra amin'ireo fihaonan'ny pôlitika, ny fifandraisana iraisampirenena ary ny fandalinana momba ny foko. Mba hampahazava azy kokoa dia nasiam-panavaozana ilay tafa. Filip Noubel (FN) : Inona no tantaran'ny fifandraisana misy amin'i Kamerona sy Taïwan ? Richard Atimniraye Nyelade (RAN): Ny tantaran'i Kamerona dia voafaritry ny tolony nikatsahana fahaleovantena nanoloana ny  imperialisma tandrefana. Natosik'ireo nasiônalista toa an'i Um Nyobè [fr], Ernest Oundié [fr], Félix Moumié sy ny naman-dry zareo avy amin'ny antoko Cameroon Populations Union (CPU) [fr] tany amin'ny taona 1950, voatery nanome fahaleovantena sarintsariny i Frantsa sy Angletera, tamin'ny Janoary 1960. Fahaleovantena sarintsariny satria mbola nitohy nanelohelo an'i Afrika hatrany ny sisan'ny dindon'ireo firenena tandrefana roa matanjaka ireo, miaraka amin'ireo tobin-tafika sy orinasa maro ratsana, ary hatramin'ny fitsabahana amin'ny raharaha anatiny. Nandritra ny tolona fikatsahana fahaleovantena, notoherin'i Frantsa ny fanomezana fizakantena feno ho an'ireo zanataniny, ary notohanany ny fametrahana governemanta iray kapitalista mpomba ny tandrefana. Ho famoretana ny fanoheran'ireo nasiônalista, nidirany ny fampiasàna tetikady mahery setra, toy ny fampiasàna baomba ‘ napalm ‘ . Ireny antsipirihany ireny dia asongadina ao anatin'ny boky « Kamerun! une guerre cachée aux origines de la Françafrique (1948-1971) » [fr] nosoratan'i Manuel Domergue sy Jacob Tatsitsa. Mifanohitra amin'izany, ireo nasiônalista dia nahazo ny fanohanan'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina Kaominista sy i Rosia . Tany am-piandohana, ny governemanta mpomba ny tandrefana tao Kamerona dia nandà tsy hametraka fifandraisana diplaomatika amin'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina fa naleony nankato ny tao Taiwan ho toy ny governemanta ara-drariny tao Shina. Antony nanosika an'io fanapahanekitra io ny toedraharaha pôlitika [fr] tamin'izany fotoana izany. Kanefa, ny Martsa 1971, nanaraka ny dian'i Frantsa i Kamerona ka namindra ny fankatoavany ho amin'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina. Io fiovàna goavana momba ny fankatoavana io no nanamarika ny fahatapahana mivandravandran'ny fipetraka diplaomatikan'i Kamerona manoloana ny Repoblikan'i Shina (Taiwan). Amin'izao fotoana izao, voafetra ny soritry ny dindon'i Taiwan ao Kamerona. Ny tena fiantraikany lehibe hita maso dia ny fisian'ireo fitaovana “vita avy any Taïwan”. Ilay fiovàna zotra diplaomatika hitodika amin'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina dia nanova ireo fifandraisana nisy tamin'i Kamerona sy Taïwan, nampihena ny dindo mivantan'i Taïwan ao amin'ilay firenena. FN : Misy ivontoeram-pianarana afrikàna ve any Taïwan na hoe oniversite Taiwaney liana amin'i Afrika? Inona avy ireo lohahevitra fototry ny fikarohana raha ho an'ny lafy taiwaney ? RAN : Raha ny fahalalako azy, tsy misy ivontoeram-pampianarana afrikàna ao Taïwan, ary tena vitsy ny isan'ireo oniversite taiwnaey liana amin'i Afrika. Na izany aza, misy ireo asa mivaingana toy ny «Peking versus Taipei in Africa» ( Pékin vs Taipei ao Afrique) an'i Wei Liang-Tsai sy ny « The United Nations from a Racial Perspective : China's Representation: US, Africa, and Taiwan Agricultural Aid, 1961-1971 » (Ny Firenena Mikambana sy ny fomba fijery ara-poko _ Ny solontenan'i Shina : Fanampiana ny lafiny fambolena  Etazonia, Afrika ary Taïwan, 1961-1971) an'i profesora Liu Xiao Peng izay manazava ny tombontsoan'ireo fikarohana tany aloha, na toa niova aza ny tsindrimpeo tato ho ato. Na misy manolotra fampianarana momba an'i Afrika aza ireo profesora sasantsaany any amin'ireo oniversite ao Taiwan, tsy voatery hilaza traikefa manokana mihitsy izany na fandalinana lalina momba ilay tanibe. Ny firotsahan'i Taiwan ao Afrika dia mifantoka betsaka amin'ireo fikambanana miompana amin'ny resaka ara-barotra, toy ny Taiwan Africa Business Association ( TABA ), mifantoka amin'ireo hirika ara-toekarena sy ny fiarahana miasa ara-barotra. Indrisy anefa, toy ireo firenena marobe manana fironana kapitalista,  mety hilatsaka anatin'ny fitrandrahana i Taiwan – fomba fiasa iray manao ho laharam-pahamehana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany sy ny fanondranana ireo akora fanodina, tsy ijerena kely akory ny resaka maha-olona, ny kolontsaina sy ny tontolo iainana. Amin'ireo fotoana izao, ny firotsahan'i Taiwan ao Afrika dia mihodidina betsaka amin'ny tombontsoa ara-barotra. Kanefa, tena zavadehibe ny manao adisisika hisian'ny fomba fijery mirindra kokoa ahitàna ny fahatakarana ara-kolontsaina, ny fifandrimbonana sôsialy ary ny fampandrosoana maharitra. FN : Inona avy ireo tena marika amantarana ny fisian'ny shinoa ao Kamerona ? RAN : Ny dindon'i Shina ao Kamerona dia hita be amin'ny alàlan'ireo fananganana Ivontoerana Confucius , ny fampiatiana ny fiteny shinoa ho ao anatin'ny fandaharam-pampianarana eny amin'ny ambaratonga faharoa fototra , ireo tetikasa fananganana fotodrafitrasa, ireo fampandrosoana ara-barotra sy ny fisiana hita mason'ireo teratany shinoa . FN : Ahoana no fanombànanao ireo hetsika ataon'i Shina sy ny vokatr'ireny ao Kamerona ? Ho anao, rafitra inona no manamarina azy io ? Mety kokoa ve ny hiresahana fampandrosoana? Kapitalisma mpanjanaka ve ? Fandrika fampitrosàna ve ? Fifaninanana erantany? RAN : Fony vanimpotoanan'i Mao Zedong, toa mba nisy fanajàna kely ihany an'ireo hetsika nasiônalista sy fiarahamiasan'ny vahoaka roa tonta hita tao anatin'ireo fifandraisan'i Shina-Kamerona. Kanefa, hatramin'ny nisokafan'ny tsena ara-barotry ny shinoa teo ambany fitondran'i Deng Xiaoping tamin'ny 1979, lasa kapitalista ilay firenena, atosiky ny hetaheta fikatsahana mafy ny tanjaka sy ny fanitàrana ary ny tombontsoa. Mahakivy io fiovàna io, indrindra raha jerena ny hoe izy Shina mihitsy no nandalo taonjato iray feno fahafaham-baràka noho ny nataon'ny Tandrefana teo anelanelan'ny 1849 hatramin'ny 1949. Manahiran-tsaina ny mahita ny tsy firaharahiana mivandravandra ataon'i Shina amin'ny fanandevozana taorian'ny zava-nanjo sy ny fepetram-panjanahantany ao Afrika, niditra tamina fifanarahana tsy ara-drariny feno fanararaotana an'i Afrika. Tsy misy hafa amin'ireo Tandrefana, na dia tsy dia nampiasa tafika firy aza, fa mitovy fatra ihany ny fihatsaràna ivelantsihy, ny hatendàna sy ny fanavakavaham-bolonkoditra. Tanatin'ny tantara manontolo, ireo Afrikàna Mainty dia nampizakaina fanalàm-baraka tsy an-kiato nataon'ireo kolontsaina naneho tsy firaharahiana tsy nisy indrafo, tsy nijery izay maha-olona iraisan'ny rehetra sy tsy nisy tena fisakaizàna marina. Ny holatra navelan'ireo famarotana andevo nataon'ny arabo nandritra ireo taonjato teloambinifolo, ny varotra andevo nandritra ireo taonjato efatra nataon'ny tandrefana, ny fanjanahantany fahiny sy ny fanjanahantany amin'ny endriny vaovao, ary hatramin'ny fisongàna tanaty famoretana nataon'ny imperialisma shinoa, dia niteraka fijaliana mafy ho an'i Afrika . Na teo aza ireny ratra lalina sy nangirifiry ireny, dia mbola ireo mpisetrasetra ireo ihany no miditra amin'ny hazakazaka vaovao mankao amin'ilay tanibe, miaraka amin'ny fikasàny handrava azy tanteraka. Raha fintinina, tiako ny hizara tsonga mampisaintsaina iray avy amin'izay nambaran'i Frank Wilderson III, olona iray malaza tamin'ny fampiroboroboana ny “ afropessimisme [notsongaina tao amin'ny bokiny Afropessimisme »] : «(…) Tsy afaka ampifampitsofohana ny fahafantarana momba ny tena sy ny fanànana vondrom-piarahamonina “intersubjective” raha tsy misy herisetra manohitra ny mainty; ny hoe ‘raha tsy misy’, midika hoe ny herisetran'ny fahafatesana sôsialy . Raha ambara amin'ny fiteny hafa, ry zareo Fotsy sy ireo zandriny mpifanome tànana amin-dry zareo (Aziatika, arabo, sns…) dia mila mampiasa herisetra manohitra ny Mainty mba hahafantarany fa velona ry zareo.»
https://mg.globalvoices.org/2023/06/17/164533/
Ao Ginea, ala iray ao afovoan'ny renivohitra no manjavona noho ny fanitarana tanàndehibe tsy voafehy
2023-06-17T03:01:39
Unknown
Pikantsary avy amin'ny lahatsary an'ny fantsona YouTube-n'ny Espace TV Ginea Ala iray miorina ao afovoan-tanànan'i Kônakry no hita miharihary manjavona noho ny fanitàrana tanàndehibe tsy voafehy ka mandrava ireo toerana maitso sisa azo raisina. Anisany iray amin'ireo ala arovana ao amin'ny Repoblikan'i Ginea i Kakimbo . Ao amin'ny kaominina Ratoma no misy azy, ao Avaratra-Atsinanan'i Konakry , izay ahitana mponina 1.6 tapitrisa araka ny Fanisana ankapobeny ny mponina sy ny fonenana (RGPH-2014) ary tsy maintsy mihoatra ny 2.3 tapitrisa ankehitriny. Ao Ginea, ny salanisan'ny fanitarana tanàndehibe dia ambany dia ambany, eo amin'ny 3.81%, saingy tena zava-dehibe ny anjara asan'ity ala ity. Eny tokoa, noho ny fahafahany mitahiry betsaka ny entona mampitombo hafanàna, dia ilaina i Kakimbo amin'ny fandoroana karbôna sy fiarovana voajanahary manohitra ny fiovan'ny toetrandro. Saingy nampihena be ny velaran-taniny ny antrôpizasiôna (fanjanahan'ny olombelona ny tontolo) ka ilay 117 hektara dia lasa dimy ambinifolo hektara , tao anatin'ny efapolo taona. Efapolo taona i Kantala Camara, lefitry ny lehiben'ny vohitra ao Ratoma Afovoany, ary teratany avy amin'ity ala arovana ity. Tsaroany miaraka amin'ny fihetsehampo ireo tantara momba an'i Kakimbo izay mety hameno pejy maro amin'ny tantara. Nitafatafa tamin'ny Global Voices, tsaroany ny iray tamin'ireo fahazazany ; dia ny iray maha zava-dehibe ny ala tao anatin'ny nofinofiny: “Nisy voankazo tetsy sy teroa. Nioty  ary nihinana azy ireny izahay fony mbola kely. Saingy ankehitriny, tahotra sy tsy fahatokisana sisa no entin'i Kakimbo. Levona avokoa izany rehetra izany amin'izao fotoana izao. Tsy ala intsony izy,” hoy izy nitantara. Miaraka amin'ireo lavabatony goavam-be manana haavo 18 metatra sy halalina 8 metatra, taloha ilay ala arovana ao Kakimbo dia toerana fivavahan'ireo Bagas , vondrom-piarahamonina iray vitsy an'isa ahitana mponina 60.000 . Mariame Sylla, mponina ao Ratoma Afovoany, faripiadidiana mifanila amin'i Kakimbo, dia mbola mahatsiahy foana ny soa nomen'ity ala ity ho an'ny vondrom-piarahamonina Bagas misy az y, ary mitaraina hoe : Tonga nivavaka tamin'ilay Mpamorona tao Kakimbo ireo olona mba ho tanteraka ny faniriany. Toerana masina i Kakimbo ho an'ireo mpitondra Fanjakana nandalo tao Ginea, indrindra fa Sékou Touré (filoham-pirenena voalohany tao Ginea 1958 – 1984) sy Lansana Conté (filoha tamin'ny taona 1984 hatramin'ny 2008). Tsy mivoaka hanao fifaninanana mihitsy ny tarika mpilalao Baolina kitran'i Hafia raha tsy efa nandalo tao. Saingy ankehitriny, tsy miresaka azy intsony satria efa im-betsaka loatra izahay no niantso ny Fanjakana mba hamonjena ny Kakimbo-nay. Jereo ny manodidina, lo ity toerana ity. Manjavona tsikelikely ny fitahirizana karbôna ao Kônakry Tilikambo kambana ao Kakimbo, naorina teo amin'ny faritry ny ala Kakimbo. Sary an'i Aïssata Sidibe, nampiasaina nahazoana alalana Niainga amin'ny 117 ka lasa 15 hektara sisa, nahitàna fihenana 75 % i Kakimbo na teo aza ilay hoe “arovana” tamin'ny taona 1943, sady nambara ho “ faritra ilain'ny daholobe ” tamin'ny Oktobra 1983. Manondro an'ireo fanorenana baranahiny i Camara, izay miorina eo akaikin'ny renirano Kakimbo , teo izay nisy ny ala taloha, hatreo amin'ny toerana misy ny Radiotélévision Gineana ankehitriny. Na ny loharanon'i Kakimbo aza dia efa nosoloina an'ireo tilikambo kambana roa ka niampangan'i Camara izany ho fanitsakitsahana ny lalàna : Kanefa, tsy nahita izahay didy manafoana ny maha-arovana ity ala ity mba hanorenana an'ireo fotodrafitrasa ireo. Ankehitriny dia very daholo ny amin'io ala io. Simba tanteraka ny manodidina azy. mitovy amin'ny ala ringana ity toerana ity, miparitadritaka zara raha misy, izay haingana be ny fanjavonan'ny rohivoary ao aminy, noho ireo fanorenana baranahiny, izay noho ny fitomboany, dia  nanitsaka ilay faritra voalohany ao Kakimbo. Raha nanao fanadihadiana ny Global Voices, ny Komandà Mohamed Fofana, Direktora Nasionalin'ny Rano sy Ala ao amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy Fampiroboroboana Maharitra (MEDD) dia nilaza fa : Rembin'ny olom-pirenentsika ny alantsika, natao teny rehetra teny ireo asa fanorenana trano, na dia teny amin'ireo morondrano aza. Mitohy mikiky an'ity ala ity hatrany ireo tranobe fonenana namboarina t eo am-pototry ny orona sy volombavan ‘ireo tomponandraikitra Gineana , hoy ny fanazavan'i Mohamed Lamaine Camara, mpanofa trano amin'ny iray amin'ireo fonenana naorina ao afovoan'i Kakimbo. Enin-taona izao no nipetrahako teto. Mahazo rivotra hatrany izahay na dia mihena aza ny ala. Mavesatra ihany koa ny sandany zakain'ity ala ity noho ny fihazakazakya sy tsy fahafehezana ny fanitarana tanàndehibe ao amin'ny faritra, hoy ny fanazavan'i Kantala Camara: Azo ambara ho tsy manana rano intsony isika eto ankehitriny, taorian'ny fotoam-pahavaratra. Fanampin'izay, tena mafana be amin'izao fotoana izao. Voasakan'ireo fanorenana ny làlan-drano ary maina ireo loharano. Izao sisa ny alan'i Kakimbo. Sary an'i Aïssata Sidibe, nampiasaina nahazoana alalana. Mandray anjara be ireo mpikatroka sy mpisehatra avy amin'ny fiarahamonim-pirenena Manoloana izao toe-draharaha mampiahiahy izao dia tsy mitsahatra ireo mpikatroka ara-tontolo iainana ny mitarika hetsika sy miantso ireo tompon'andraikitra mba hiaro ity ala arovana ity. Tolony manokana no nanaovan'i Oumou Hawa Diallo , tanora mpikatroka ho an'ny toetrandro ny fambolenkazo sy famerenana indray ity ala voasokajy ity. Tao anaty tatitra iray, niresaka ny gazety Le Monde mikasika ny fandraisany andraikitra ho fampahatsiarovan-tena an'ireo Gineana manoloana ireo fanamby ara-tontolo iainana. Saingy ankoatran'ny asan'ny fiarahamonina sivily, i Vayanga Donzo , mpikatroka ara-toetrandro ao Ginea dia  niantso ny Fanjakana. Tamin'ny fandraisampeon'ny Global Voices, nilaza izy fa : Tena mampitahotra sady mampahory ny zava-tsikaritra momba ny toe-javatra ankehitriny manjo ny alan'i Kakimbo. Ankoatra ireo fikambanana tsy miankina sy ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana dia tsy mandray anjara ao anatin'ny fitantanana ity ala ity ny Fanjakana, na dia azo heverina ho toy ny avokavoky ny tanànan'i Kônakry aza ity ala ity. Betsaka ny indostria manary karbôna ao amin'io tanàna io. Mitahiry an'ireo karbône ariana ireo i Kakimbo sady manana andraikitra goavana ao anatin'ny fifandanjana ara-tontolo iainana ao Kônakry. Tokony ny Fanjakana no hitondra hetsika goavana ho famelomana aina sy fitahirizana ity ala ity. Tsy fisian'ny fiarahamiasa eo amin'ireo minisitera Ny tsy fisian'ny fiarahamiasa eo amin'ireo rafitra ao amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampiroboroboana maharitra (MEDD) ary ireo an'ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany, ny Fonenana sy ny Fampandrosoana ny faritra (MUHAT) dia tsy afa-bela amin'ny kiana rehetra amin'ny fitarazohan'ny aretina ratsy mikiky tsikelikely ny alan'i Kakimbo. Itarain'ny Komandà Mohamed Fofana, lehibe nasionaly misahana ny rano sy ny ala ao amin'ny MEDD , ny tsy fahampian'ny fiarahamiasa eo amin'ireo departemantany sy ny an'ny MUHAT. Malahelo izy : Bitika ny fiarahamiasa eo amin'ny minisiteran'ny trano fonenana sy ny tontolo iainana na eo aza ny fametrahana vaomiera iraisana izay tsy mbola niasa mihitsy hatramin'izao. Amin'ny ankapobeny dia ny departemanta misahana ny trano fonenana no manome ireo fahazoandalana hanorina trano ao anaty ala. Araka ny voalazan'i Fofana, azo avotana ny ambina velarantany amin'ny ala arovana ao Kakimbo izay an-dalam-paharingànana, raha toa raisina ireo fepetra mifanaraka amin'izany, anisan'izay ny fandrindrana tsara ireo sampana miandraikitra ny tontolo iainana sy ny an'ny trano fonenana. Notsipihany fa : Tena ilaina ny fiarahamiasa tsara, toy ny famerenana indray ny vaomiera iraisana noforonina teo amin'ireo minisitera roa ireo. Tena ilaina izany satria ny ala koa dia loharanom-pamatsiana rano : ahitana lavadrano mitontaly fito ao anatin'i Kakimbo izay an'ny Orinasan'ny Rano ao Ginea (SEG). Saingy indrisy fa tsy maningana ny tranga misy ao Kakimbo. Na eo aza ireo fepetra noraisina hatramin'ny taona 2015 ho fandroahana ireo olona nampiasa ny faritra ao aminy, ny tendrombohitr'i Kakoulima izay voasokajy anefa, dia mbola mitohy hatrany voatafik'ireo fanorenana baranahiny sy ireo tanimboly fambolen'ny mponina. Ohatra iray tena mampiseho ny toe-javatra ankapobeny ao amin'ny firenena, araka izay hazavain'ity tatitra an-dahatsary ity, an'ny Caducée TV , haino aman-jery Gineana iray miresaka ny fahasalamana sy ny tontolo iainana : Fanampin'ny toetrandrony miavaka, ny alan'i Kakimbo dia ahitana ao aminy lavadrano mitontaly fito an'ny Orinasa misahana ny Rano ao Ginea (SEG). Ireo zavatra rehetra ireo no nahazoany ny anaram-bositra hoe “avokavoka maitso”-n'i Kônakry. Indrisy, matetika i Kakimbo izay nomena anarana hoe avokavoka maitson'ny renivohitra, no hita ho miha-mihiboka sy mihavoafonon'ny simenitra sy vy avy amin'ireo fanorenana baranahiny. Avokavoka io, izay, mba ahitana ny fivelarany sy ny asany amin'ny fanomezana rivotra tany am-boalohany, dia tokony hahazo fitsaboana henjana tena izy raha tsy maintsy hanohy ny anjara andraikiny ho amin'ny tombotsoan'i Kônakry izy.
https://mg.globalvoices.org/2023/06/28/164765/
Omen'i Tôgô voninahitra any anatin'ny fandaharam-pampianarany ireo mpanoratra teratany tôgôley
2023-06-28T02:38:49
Unknown
Pikantsarin'ny fantsona YouTube an'i Mawuline2.0 Ekena fa vao haingana (nandritra ny taom-pianarana 2019-2020) no nisy fanavaozana ny fandaharam-pampianarna literatiora teny anivon'ny taona voalohany amin'ny ambaratonga faharoa . Araka izany, ao amin'ny taona faha-6, nampidirina ny “ Journal d’une bonne” an'i Dissirama Boutora - Takpa (Loka France - Togo) ary tao amin'ny taona faha-7 (5 e) , ny “ Des larmes au crépuscule” an'i Steve Bodjona . Ho an'ny taom-pianarana (2021 - 2022), sanganasa telo no nampidirina : “ Atterrissage” an'i Kangni Alem , “ Femme infidèle” an'i Sami Tchak , “ La guerre des Aputaga” an'i Ayayi Togoata Apedo - Amah. Tahaka ireo firenena mpifanolo-bodirindrina aminy, tsy maintsy mampiroborobo ny literatiorany i Tôgô. Araka ny fijoroana vavolombelona anatin'ity bitsika ity, avy amin'i Marthe Fare , filohan'ny Pen Club Togo , nandritra ny hetsika fampiroboroboana ireo sanganasa tôgôley: Je suis à ce jour au lycée Bassar Ville où j'échange avec les élèves sur la littérature togolaise. Avec la maison d'édition Awoudy, cette tournée est pour faire découvrir des auteurs togolais aux élèves de Lomé à Dapaong. #TT228 #TgTwittos pic.twitter.com/yLRbDZeKRO — Marthe Fare (@Nounfoh) February 10, 2022 — Marthe Fare (@Nounfoh) 10 Febroary 2022 Mba hahatakarana misimisy kokoa ny fivoarana sy ny fanekena nitarazoka an'io literatiora io, ny Global Voices dia nitafa tamin'i Mawusse Komlan Heka, mpanorina ny Editions Awoudy izay miorina ao Lomé. Araka ny fanolorana ao amin'ny tranonkala, tamin'ny 2009 ny Editions Awoudy no nijoro, taorian'ny valo taona nanaovany fanontàna fotsiny ho an'ny tenan'ny mpanorina azy. Napetrak'ilay trano fanontàna ho tanjona ny hamàfa ireo anganongano momba ny fanontàna boky ao Tôgô sy ny hanome tombony ny fahaterahana sy fisandratan'ireo talenta vao. Nasiam-panovàna ny endrika sy ny halavan'ilay tafa. Jean Sovon(JS): Aiza ho aiza ny literatiora tôgôley amin'izao fotoana izao? Ankoatra izay, toa nitombo be tato anatin'ny taona vitsivitsy ireo loka natao ho an'ny literatiora : ny Loka AGAU ho an'ny literatiora izay efa amin'ny andiany faharoa izao; ny Loka ho an'ireo taninketsan'ny literatiora izay nahazoan'i Isaac Kokou Fambi loka tamin'ny 2020 nandritra ny andiany voalohany, tamin'ilay sanganasany hoe « Un funeste destin » ; ny Loka Literatiora Frantsa-Tôgô izay nahazoan'i Yvette Koulitime Gnossa loka tamin'ny 2022 tamin'ilay tantara noforoniny hoe “Faces Cachées” nandritra ny andiany faha-16 ; ny Loka Literatiora Komlan Menssan Nubukpo izay nandreseny sy nahazoan'i Guillaume Djondo loka tamin'ny 2022 tamin'ilay fehezan-tononkalony “Senteurs des fleurs fanées” . MKH : Tato anatin'ny dimy taona, voamarika ny fisian'ny fiovàna efa nandrasana fatratra hatry ny ela. Ezahan'ny fanjakana ny hametraka amin'ny dingana rehetra, farafaharatsiny sanganasa iray avy amin'ny literatiora tôgôley ho ao anatin'ny fandaharam-pampianarana. Ohatra, ankehitriny, ny “ Des Larmes au crépuscule” an'i Steve Bodjona, natontan'ny Editions Awoudy, dia ao anatin'ny fandaharam-pampianarana ho an'ny kilasy taona faha-8 (4 eme ) eto Tôgô. Aoka hifaliantsika sahady izay efa natomboka, saingy mbola manantena ny tsaratsara kokoa. Ohatra, voasoratra ho ao anaty fandaharam-pampianarana ny sanganasa tôgôley sasantsasany, saingy tsy misy azy intsony anefa eny an-tsenan'ny boky, tsy maintsy tsaboina ny momba izany. Tokony hanondrana ny bokinay ihany koa izahay mba hovakiana sy hianarana any amin'ireo firenena mpiray vodirindrina izy ireny.  Fotoana izao mba hanondrananay ny literatioranay, tahaka ny nanafaranay ny an'ny hafa nandritra ny fotoana elabe. MKH : Tena tsara ny ankamaroan'ireo tranainy. Taloha, ambony ny lentan'ny teny ary marobe tamin'ireo nanoratra no olona nahita fianarana satria mpampianatra ry zareo, na nandalo oniversite. Ny tontolo nisy an-dry zareo no aingam-panahy nanosika ny asa sorany. Mendrika dera sy haja ireo zokintsika. JS: Inona avy no tena lohahevitra trandrahan'ny andian-taranaka vaovao ? JS: Ny teninao farany? MKH : Ireo mpisehatra ao anatin'ny kolontsaina tôgôley, indrindra fa ireo amin'ny literatiora dia mizara ny zavamahaliana azy, ny talentany ary izay ananany mba hampiaina an'i Tôgô amin'ny lafiny zavakanto. Manao ezaka ihany koa ny fanjakana, saingy indraindray na dia ny tolodalàna tsotra indrindra momba ny zon'ny mpamorona aza dia andaniana 15 taona vao ankatoavina sy laniana, izany dia mampiseho hoe hatraiza ny fahasarotan'ny atao hoe mpisehatra amin'ny literatiora. Mila fampahafantarana bebe kokoa ihany koa ny literatiora tôgôley, na eo amin'ny sehatra nasiônaly, na iraisampirenena. Ilainay ny fahitàna anay any amin'ireo foara isankarazany sy fampirantiana manerana ny tany. Momba izay indrindra, ny Ministeran'ny kolontsaina sy ny fizahantany dia tokony ho afaka manampy anay handray anjara amin'izany, na ohatra aza tsy nahazo fanasàna ofisialy izahay. Ny hany sisa atao izany dia ny mampahafantatra amin'ny olona maro fa tena maika ary tena fototra ny kolontsaina, mihoatra noho ireo sehatra hafa lazaina fa laharam-pahamehana. Miankina amin'ny boky sy ny kolontsaina ny fanabeazana. Na ny marary saina na ny marary vatana dia maro no mila fikarakaràna ara-kolontsaina mba ho sitrana.
https://mg.globalvoices.org/2023/06/14/164556/
IciCongo: Sarin'ny mpampita vaovao an-tserasera iray te- « hitantara an'i Kôngô amin'ny fomba hafa »
2023-06-14T08:49:34
Unknown
Sarin'i Umbo Salama, fampiasàna nahazoana alàlana Ao atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, misy media iray miezaka ny hiavaka amin'ny hafa amin'ny fanandratana matoandahatsoratra manome toerana ny fiainana andavanandro araka ny tena iainan'ny ankamaroan'ny Kôngôley azy ao amin'ilay faritra. Araka ny fanomezana laharana avy amin'ny Reporters Sans Frontières (RSF), taona 2023 ho an'ny firenena iray voaporiporitra ny fahalalahana maneho hevitra, ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC) no mitàna ny laharana faha-124 amin'ireo firenena 180, manana isa 48,55. Raha mitaha amin'ny taona 2022 izay nitazonany ny toerana faha-125, dia nahavita dingana kely niroso nankany aloha ilay firenena. Araka io loharano io ihany , ny firenen'i Félix Tshisekedi , Filoha nanomboka tamin'ny 2019, dia manana gazety miisa 540, fantsona fahitalavitra 177, onjampeo mihoatra ny 4.000 ary media an-tambajotra 36. Saingy ny toedraharaha pôlitika, ireo krizy sy fifandonana izay, araka ny fanazavàn'ity tatitry ny International Crisis Group ity,  dia manozongozona an'i RDC hatramin'ny taona vitsivitsy izao, manery an'ity firenena lehibe indrindra ao Afrika Atsimon'i Sahara ity hankato lalàna iray vaovao momba ny asa fanaovana gazety, izay nanomboka nanan-kery ny 4 aprily 2023. Ireo ONG mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety dia nandray tsara tokoa io lalàna io noho izy te-halalaka, araka ny fanazavàn'ny RFI azy: Izy io dia manery ireo izay manana vaovao ho an'ny daholobe mba hanome izany ny mpanao gazety. Izany dia ahafahan'ireo mpanao gazety mahazo ny vaovao rehetra, isan'izany ireo vaovao mahakasika ny fifidianana, ary miaro ny loharanom-baovaony. Tao anatin'izany tontolon'ny haino-vaky-jery izany ny IciCongo no teraka. Ny Global Voices dia nitafa tamin'ny alàlan'ny Whatsapp tamin'ny mpanorina ny IciCongo, Umbo Salama, mpanao gazety no sady mpampianatra mpanampy ao amin'ny departemantan'ny siansan'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana ao amin'ny Université de l’Assomption ao Kôngô (UAC). Izy no manazava ny tontolo nahaterahan'ilay sehatra, ireo fanambiny sy ireo vinany ho an'ny hoavy. Jean Sovon (JS): Ambarao anay ny tantara, ny mampiavaka ireo votoaty sy ny endrika ara-paritry ny IciCongo ao anatina firenena iray midadasika be! Umbo Salama (US) : Zava-tsikaritra vitsivitsy no niaingàko. Voalohany dia ny fomba ilazàn'ireo media vahiny ny vaovao momba an'i RDC. Rehefa miteny ry zareo dia toy ny hoe firenena nandalo ny helo izany ilay firenena : kolikoly, ady, fifandirana foko, fahantràna, hanoanana, fanolànana, halatra, fandrobàna… Kanefa, etsy ankilan'io toejavatra misaritaka io, misy ihany koa ireo santatr'andraikitra ho fiavotan'aina ary tsy dia taterin'ireo media loatra. Hoy aho anakampo hoe, ny firesahana ireny santatr'andraikitra ireny dia afaka manome tombony ao anatin'ny fampiharana ny asa fanaovana gazety ao RDC. Izay no anton'ny teny fanevanay hoe « Mitantara an'i Kôngô amin'ny fomba hafa». Ny tsikaritra iray hafa, dia ny fomba hikirakiràn'ireo media an-tambajotra ao RDC ny vaovao. Marobe ireo media no mirona amin'ny fanelezana vaovao toy ny hoe mifaninana amin'ireo masoivohom-baovao na ny tambajotra sôsialy. Ireo fanambaràna na hetsika ataon'ireo olona manana ny lazany, ireo fampitàna an-gazety, ireny no tena manome ny ampahany betsaka amin'ny vaovao. Miasa ho toy ny fitaovana fampielezankevitra eo an-tànan'ireo olona sasany ihany koa ny media. Nilaina, araka izany, ny hisian'ny habaka iray ho an'ireo vaovao isankarazany, mba hahafahan'ny vahoaka mahafantatra ny toedraharaha iainany, ny tontolony, hahafahany manana aingam-panahy sy handray fanapahankevitra ho an'ny fivelarany manokana. Nanampy ahy nanangana io tranonkala io ireo namako miasa ao anatin'ny sehatry ny famokarana Web. Tamin'ny fiandohan'ny Jona 2021 izahay no namoaka ny lahatsoratray voalohany teny anaty tambajotra, tao amin'ny www.icicongo.net , ka laharam-pahamehana ny hitantara ny fikofokofohan'ny vahoaka manao izay hahavelomany ao anatin'io tontolo io, izay mazàna no atolotra  amin'ny endrika apôkaliptika. Resahanay ny toekarena, ny fambolena, ny ady atao hanoherana ny fitomboan'ny hafanàn'ny tany, ireo olan'ny fahasalamàna ara-pananahana, ny fahasalamam-bahoaka, fa koa ny resaka fitsaràna, ny zotram-piainan'ny olombelona ary hatramin'ny firoboroboan'ny tontolon'ny media. Tao anatin'ny taona roa nisiany; efa nahazo loka roa sahady ny IciCongo: ilay fifaninanana kely tamin'ny Septambra 2022 nampanaovin'ny International center for Journalist (ICFJ) tamin'ny alàlan'ny Forum Pamela Awards momba ny fanadihadiana ireo krizy manerantany, tamin'ilay lahatsoratra hoe : « Manoro tsara momba ny asa fampihorohoroana sy ny fanaovana an-tendro mba hampitony ny fiarahamonina ». Ny loka faharoa dia avy amin'ny fifaninanana  « Jinsia Kwa Amani, na Ny Miralenta Hisian'ny Fandriampahalemana», fifaninanana iray nokarakarain'ny Fikambanan'ireo Vehivavy misehatra amin'ny Médias(AFEM) sy ny fiarahamiasa alemaina GIZ tamin'ny Desambra 2022, tamin'ilay lahatsoratra hoe « Miaraka amin'ny hetibeny, bangoin'i Anita Kahambu ireo fitsaràna an-tendrony  momba ny fandraharahàna ataon'ny vehivavy » nosoratan'i Glodi Mirembe. JS: Ny inona no mpihaino anareo, ary toy ny ahoana no famakin'ny olona anareo? Inona no tamberina omen-dry zareo? US: Holazaiko angamba hoe mbola tsy malaza loatra izy io, saingy efa misy ny firosoana mankany amin'izay. Eo amin'ny pejin'ny antontanisanay, eo an-dàlana izao izahay mamamantatra ireo mpihaino izay mitombo be hatrany any ivelan'ny firenenay, indrindra fa any amin'ireo firenena toa an'i Etazonia, Belzika ary ireo firenena eorôpeàna hafa, fa koa i Shina, Ogandà, Kamerona, Afrika Atsimo. Tao anatin'ny taona roa nisiana, mihevitra izahay fa mizotra amin'ny làlana tena tsara miaraka amin'ireo mpihaino avy amin'ny tanibe rehetra. Mba hahatongavana amin'izany, zarainay ireo lahatsoratra mba ho any amin'ireo sehatra marobe ao amin'ny tambajotra sôsialy, toy ny WhatsApp, Facebook, Twitter, LinkedIn. Ny ankamaroan'ireo mpitsidika ny tranonkalanay dia mampiasa ny telefaona finday mba hamakiana azy, tombanana ho 93% eo ry zareo ireny. 5% ireo mampiasa ny solosaina, ary 2% ny mampiasa tablety. Ny tamberina voarainay dia mangataka aminay ny hanohy hamokatra vaovao mbola mitondra fanantenana ihany sy mampitombo fahalalàna. Ny hafa koa miteny aminay fa mampanan-karena ny fikarohana siantifika ataon-dry zareo ireo lahatsoratray. JS: Mba lazao anay ny momba ny tarika mpamoaka lahatsoratra ao andamosin'io asa tsara dia tsara isanandro io. Ny fanofanana sy ny fandraisana ireo mpanao gazety hiasa ao anatin'ny toedraharaha misy an'i RDC sy ny faritra! US : Miantehitra betsaka amin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo izahay, izy ireo izay maniry ny hanatsara ny fomba fanoratany an,-gazety. Miantehitra ihany koa izahay amin'ireo mpianatra izay ampianarinay rahateo ny taranja asa fanaovana gazety ao amin'ny Université de l’Assomption ao Kôngô (UAC). Amin'izany izy ireo dia misitraka fanarahamaso tsy tapaka amin'ny tolokevitra ho fanontàna lahatsoratra, mandalo amin'ny fandrafetana zoro, ny fikendrena ireo loharano, ny drafitry ny fanoratana. Ny media tantaninay dia kazarana akademia ihany koa ho an'ny asa fanaovana gazety. Izany no antony iantsoanay azy hoe « Média école » (Media Sekoly). Fa vitsy ireo tavela satria tsy anaty firotorotoana no anoratana ny lahatsoratray: maka fotoana ampy tsara mihitsy izahay mba handinihana. Manitatra ny bokin'adiresiny koa ireo tavela. Mandray anjara tsy tapaka ihany koa izahay amin'ireo “webinars” momba ny asa fanaovana gazety, amin'ireo fiofanana maro omen'ireo fikambanana ao amin'ny faritra misy anay. JS: Manao ahoana ny toedraharaha misy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao RDC? U S : Hatreto, tsy mbola nahazo fandrahonana noho ny asa ataonay ny IciCongo. Saingy be loatra ireo teritery tsy ahafahan'ny gazety rehetra ao amin'ny faritra atsinanan'ny RDC hanao tsara ny asany. Ohatra, raràn'ny fanjakàna ireo mpanao gazety tsy hanome fitenenana eny anatin'ny media-ndry zareo ireo  mpanafika, na ny filazana hoe ao anatina faritra mora ianjadian'ny fifandonana mitam-puiadiana sy ireo endrika maroben'ny herisetra tafahoatra izahay. Misy fotoana andaozana ny lahatsoratra sasantsasany noho ny tsy fahavitàna manome vaovao feno avy amina loharano isankarazany. Manana fahasahiranana ihany koa izahay raha te-handeha any amin'ny faritra sasany noho izy ireny ambany fifehezan'ireo vondrona mitam-piadiana. J S: Aiza ho aiza no fahitànao ny IciCongo anaty fotoana lava? US : Ny media-nay dia mipetraka anaty faritra iray, ao antsinanan'ny firenena, izay misabaka eo anelanelan'ny lemak'i Nil sy ny lemak'i Kôngô . Inoanay fa afaka 5 na 10 taona, izahay dia ho isan'ireo hanohy ny ho mpitondra tenin'ireo tsy misy mpihaino eo anelanelan'ireo lemaka roa ireo, ary handray anjara amin'ny fampandriana fahalemana an'ilay faritra. Ary koa, fikasànay ny hamokatra rakipeo ‘podcasts’ sy hanana fantsona Youtube mba hampitomboana ny isan'ny mpihaino anay. Tsy asa mora izany, fa ho vitanay.
https://mg.globalvoices.org/2023/06/07/164476/
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna #01
2023-06-07T12:41:23
Unknown
Dokambarotry ny Taxiphone ao Constantine. Sary an'i Réda Harbi, fampiasàna nahazoana alàlana. Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”,  asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, nefa koa ireo tsy afaka adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa tsy nasiana fandikàna sy matetika maka dika vaovao mihitsy. Androany, ireto lohahevitra telo ireto no nosafidianay: Jokkolabs . Ity fomba fiteny ity dia ao Senegaly no tena ampiasaina be. Fifangaroana teny frantsay sy wolof , fiteny tena ifampiresahana be ao Senegaly ho an'ireo mponina 16 tapitrisa. Ny ‘jokko’ raha ny marina dia midika hoe “mifanakalo, mifampiresaka” , ary ny ‘labs’ dia avy amin'ny fiteny frantsay hoe ‘laboratoire’. Ny voambolana ‘jokkolabs’ dia manondro habaka iray fiasàna ifampizaràna olona maromaro maniry ny hitondra zava-baovao ao anatina tetikasa mifamatotra amin'ny teknôlôjia, araka ny hazavain'ity lahatsoratry ny We Are Tech ity: Tao Dakar, Senegaly, tamin'ny 2010, no nosokafana ny Jokkolabs voalohany indrindra, ary nanomboka teo, vetivety dia niroborobo ilay tambajotra. Ankehitriny, efa misy ivontoerana marobe manerana an'i Afrika Andrefana, Afrika Afovoany, ary hatrany Frantsa. Ilay tambajotra dia manolotra habaka fiasàna ifampizaràna amin'ny hafa, fampiofanana, hetsika sy tolotra fitarihan-dàlana ho an'ireo mpandraharaha eo an-dalam-panombohana ao Afrika sy eny anivon'ny diaspôra afrikàna. Dokambarotry ny “taxiphone” ao Constantine, Alzeria. Sary nopihan'i Réda Harbi, fampiasàna nahazoana alàlana Taxiphone . Fiteny tsy zoviana ao Alzeria io, toerana iray ahitàna ny dikany eo an-dalam-piovàna. Talohan'ny nahatongavan'ny finday, dia nentina nanondroana ireo tranokely (kiosque) fivarotana gazety ka manana telefaonina azon'ny rehetra ampiasaina, indrindra fa nanomboka tamin'ny andian-taona 90. Rehefa nanomboka nitobaka ny finday, nivadika ho tranokely tsy mpivarotra gazety fotsiny izy ireny, fa koa zava-pisotro, sakafo, ary zavatra hafa marobe. Araka ny hazavain'ity lahatsoratra ao anaty karajia iray an-tambajotra ity, lasa niova ho toy ny tsenakely ny “taxiphone”: Mba hiarovana ny toeram-pivarotan'izy ireo tsy ho banky rompitra, navadik'ireo mpitantana tamim-pahendrena ny “taxiphone”-ndry zareo. Eny fa na nisy aza ny fepetra mamaritra ny asan-dry zareo. Fetsy, nasian-dry zareo telefaonina mampiasa ny antso an-tariby ihany eo an-jorony eo mba « hanamarinana » ny asa ara-barotra ôfisialin-dry zareo, ary etsy ankilan'izay, dia mivarotra vatomamy, glasy, stilô, akanjo , CD ary hatramin'ny hajian-ketra ry zareo. Araka izany, ireo KMS dia nivadika tanteraka ho toeram-pivarotana enta-madinika. « Raha ny tokony ho izy dia voafetra ho amin'ny famarotana gazety sy sigara ny asa. Saingy efa an-dalam-piovàna ho lasa toy ny toeram-pivarotana lehibe ireo tranokely (kiosques). Coworking Space (Toerana iarahana miasa). Tany amin'ny fiandohan'ny taona 2000 no teraka, indrindra fa tao Etazonia, ity fomba fiteny anglisy ity. Manondro toerana iray hofaina izy io, izay ahafahan'ny olona rehetra mitondra ny solosainy sy miasa amina ora na tontolo andro. Toy ireo fomba fiteny marobe mifamatotra amin'ny teknôlîjia sy ny fomba fiaina vaovao ary ny fomba fiasa, dia toa alaim-panahy tsy handika avy hatrany azy ireny ny olona rehefa tonga ao anatin'ny tontolo mampiasa sy miteny frantsay ireny fomba fiteny ireny, satria toy ny manampy hevitra maoderina izany ny fampiasàna ilay fomba fiteny anglisy, maharaka lamaody e. Dikanteny marobe no atolotry ny fiteny frantsay ho toy ny azo raisina: “espace de coworking” – amin'ilay karazany iray tsy mandika afa-tsy ampahany amin'ilay fomba fiteny, “cotravail”, “espace de cotravail” –  ity iray ity izay toa omena tombony kokoa amin'ny fiteny frantsay québécois. Araka izany, ity lahatsoratry ny gazety Le Monde ity dia mampiasa ilay dika hoe “espace de coworking”: Raha hita saika any afovoan'ireo tanandehibe ireo “espaces de coworking”, izy ireny dia manome fahafahana ihany koa ho an'ireo tanàna antonontony. Maro ireo mpisehatra vaovao mampiasa vola amin'io tsena mifandraika amin'ny firoboroboan'ny asa vitain-davitra io (Télétravail). Ho an'ny Global Voices manokana, lahatsoratra iray tamin'ny 2011 no manolotra dika iray mitovy amin'ny an'ny “Le Monde”: Ny “coworking”, na fampiasàna ny habaka iaraha-miasa, dia hetsika iray erantany tsy mitsahatra ny mitombo, ary tsy afaka miala amin'izany i Japàna. Rehefa dinihana tokoa, dia ny dika hoe “espace de cotravail” no toa neken'ny maro, saingy malalaka ny tsirairay hampiasa na hanolotra dika hafa. Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org
https://mg.globalvoices.org/2023/06/06/164454/
Tatitra Unfreedom Monitor : Kenya
2023-06-06T03:32:32
Unknown
Image courtesy Ameya Nagarajan Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera ary ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika. Ity dia tsonga nalaina avy amin'ny famintinana ireo tatitra momba an'i Kenya tao anatin'ny andiana tatitra nivoaka avy tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor. Vakio ato ny tatitra feno. Ity tatitra ity dia manome topimaso momba ireo trangan-javatra miroborobo indrindra amin'ny resaka tsirefesimandidy nomerika ao Kenya. Hohadihadiana anatin'ny tatitra ireo hetsika sy fanapahankevitra tena manandanja indrindra noraisain'ny governemanta keniàna tato anatin'ny taona vitsy ka ampiasàny ny aterineto sy ny teknôlôjia mba hanatrarana tanjona pôlitika sasantsasany. Ireo zavanitranga lehibe nisongadina dia ahitàna ny fanarahamaso ny fifandraisana sy ny tambajotra, ny fampiasàna tsy araka ny tokony ho izy ny angondrakitra manokan'ny olona ary ny fanitsakitsahana ny angondrakitra nandritra ny fifidianana, hatramin'ny fandisoana ny vaovao sy ireo fanakaramàna fampielezankevitra ho fandisoana vaovao. Ny famakafakàna ny fandiovana sy ny fanamarinan'ny governemanta ireny hetsika ireny, ary ny fomba matetika anekena azy io eo ambanin'ny lalàna keniàna. Ankoatra izany, amin'ny fijerena ireo fahavoazana sy ny fanitsakitsahana zon'olombelona ateraky ny tranga tahàka izany, dia fintinin'ity fanadihadiana ity amin'ny alàlan'ny fandalinana ny fiantraika ankapoben'ireny hetsika ireny amin'ny demaokrasia sy ny fahalalahana sivily, ary fanomezana torohevitra avy amin'ny fanadihadiana nolazaina etsy ambony. Misy fiantraikany goavana amin'ny fitantanana sy ny fiainam-bahoaka ao Kenya ny tsirefesimandidy nomerika, ary vokatr'izany dia olana ilàna fiheverana maika momba ny zon'olombelona. Ao anatin'ny tontolon'ny nomerika amin'izao fotoana izao, hafainganam-pandeha malaky be no ivezivezen'ny fandisoana vaovao na ny fampiasàna azy tsy araka ny tokony ho izy ety an-tambajotra. Manana fahafahana bebe kokoa hiditra amin'ny angondrakitra ny governemanta, tsy toy ny tany aloha, izay ampiasainy hanarahana maso ny olompirenena sy hamelezana ireo mpanao gazety na ireo mpikatroka an-tambajotra. Ambonin'izany, ny fahatongavan'ny vanimpotoanan'ny aterineto dia mifameno tsara amin'ny fampidiran'ny governemanta ny rafitra teknôlôjika afaka miasa ho toy ny rindrambaiko fitsikilovana. Na mandroso sy mivoatra amina hafainganam-pandeha malaky aza ny aterineto, dia mihalasa tsy maimaimpoana hatrany hatrany izany ao Kenya. Hita ho miha-manakaiky ny jadona nomerika ny governemanta ao Kenya ary, vokany, mihamarefo noho ny fiantraikan'izany ny demaokrasia. Faritan'ity tatitra ity ireto singa fototra ireto, izay tena ilaina mba hiantohana ny fahombiazana mankany amin'izay zotra izay. Voalohany, miankina amin'ny fiarovana ny zon'ny olompirenena ho afaka manao safidy pôlitika ny fihazonana ny demaokrasia. Mba hahafahana mandrafitra lalàna sy fepetra mahomby, ary ireo fepetra hafa mifandraika amin'ny teknôlôjia nomerika sy ny sehatry ny aterineto, tokony handray anjara mavitrika ny fiarahamonina sivily. Tokony ho azon'ireo mpanao gazety s y ireo mpikambana avy amin'ny fiarahamonina sivily hidirana, tsy misy fanakantsakànana na sivana, ny habaky ny aterineto. Ankoatra izay, tsy maintsy hajaina ny zo ho afaka maneho hevitra an-kalalahana, na anaty na ivelan'ny aterineto. Mitovy amin'izay ihany, nilaza i Nanjala Nyabola tao anatin'ny bokiny “ Digital Democracy, Analogue Politics: How the Internet Era is Transforming Kenya ,” fa “novain'ny nomerika ny fomba fanaovantsika pôlitika sy ny fifandraisana iraisampirenena, ary io dia miteraka hamehana vaovao ho an'ny fanakàrana ny tontolo nomerika, fa indrindra ny fahatakarana ny zo nomerikan'ny olompirenena.” Niaina fivoarana nampitolagaga i Kenya tamin'ny fampidirana ny fitantanany sy ny toekarena ho anatin'ny nomerika, niaraka tamin'ny fampiasàna tsy mitsaha-mitombo ny aterineto sy ny fanekena ny TIC. Na izany aza, ny fihazakazaky ny teknôlôjian'ny aterineto sy ireo teknôlôjia hafa sy andalam-pivoarana dia nampivoatra be ny fitaovana eo am-pelatanan'ny governemanta ho entiny mamoritra sy mifehy ny sôsialy, vao mainka manasarotra ireo fanamby momba ny zon'olombelona. Ny avoitran'ny fikarohana momba an'i Kenya dia hoe kendan'ny fitomboan'ny jadona nomerika ny hery ananan'ny aterineto sy ny teknôlôjia nomerika ho entina mampandroso ny demaokrasia. Ny fanarahana maso, ny fitsongolohana sy ny fipaingorana ny fifandraisana nomerika, ny fanangonana sy fikirakiràna ireo angondrakitra manokan'ny olona amin'ny fomba tsy voafehy tsara, ary hatramin'ny fampiasàna ho fitaovam-piadiana ny rafitra araka ny lalàna efa marefo misy ny zo nomerika, dia samy nampiasain'ny governemanta keniàna avokoa ho toy ny fitaovana entina hanimbàna hatrany ifotony ny safidy pôlitika, ny zo hifidy ary ny fahalalahana, toy ny fahalalahana haneho hevitra, hifamory ary hanangana fikambanana. Io fanarahamaso vaovao vao tsikaritra io dia nanaketoka ny vahohon'ny jadona nomerika no sady nanao sorona ireo zo nomerikan'ny olompirenena sy ny fandraisana anjara amin'ny fomba demaokratika. Ny famintinana azo atao dia ny hoe, na ny teknôlôjia nomerika noheverina fa hahafahan'ny fahalalahana mampivelatra ny adihevitra pôlitika aza dia mety ho afaka ihany koa hamela ny famoretana, indrindra fa ny fampiasàna tafahoatra ny angondrakitra, ny fanarahamaso faobe, ny fanelezana vaovao diso ary ny fanapahana aterineto izay maneritery ny fahalalahana maneho hevitra an-tambajotra. Io fandraisana anjaran'ny olompirenena ety anaty tambajotra io sy ny fandrosoan'ny firotsahana an-tsehatra sivily ety anaty tambajotra dia afaka ampiasaina ho tsindrin'entan'ny fahefam-panjakana. Raha voataiza tsara ny olompirenena, ka hisy fiarahamonina sivily hanamafy tsara ny zo nomerikan-dry zareo, dia azo atao tsara ny manohitra amim-pahombiazana ny jadona nomerika, na farafahakeliny mampihisatra azy. Matetika no diso hevitra isika mihevitra ny teknôlôjia ho tsy miandany ara-pôlitika, nefa raha ny marina, ny fiantraika miabo na miiba aterany dia miankina amin'izay manana azy eo am-pela-tànany, na izay afaka miditra malalaka be aminy.  Rehefa governemanta iray tsirefesimandidy no afaka miditra malalaka be aminy, tsy afaka ny ho tsy hiandany mihitsy izy. Raha ny hoavy demaokratikan'i Kenya ao anatin'ny vanimpotoana nomerika no sainina, tsy misy afaka mody fanina amin'ny fitomboana malakin'ny IA (intelligence artificielle) isika, izay azo heverina tsara mihitsy fa vao mainka hanaratsy ireo fanamby efa misy ho an'ny demaokrasia. Nisy fiantraikany goavana tamin'ny fifandraisana sy ny fifampizaràna torohay eo amin'ny samy olona, ny governemanta, ary ny fiarahamonina sivily ny AI sy ireo teknôlôjia fitrandrahana ny angondrakitra ao anatin'ny pôlitika. Ny vanimpotoanan'ny AI izay efa tsy hoela intsony ao anatin'io toejavatra io dia loza mananontanona ho an'ny demaokrasia keniàna. Miainga amin'ireo olan'ny fanavakavahana amin'ireo teknôlôjiam-pitantanana mitanila, mankany amin'ireo tena faran'izay sandoka mampanjavozavo ny tsipiky ny fahamarinana sy ny tena zavamisy, arakaraky ny handrosoan'ny teknôlôjia sy ny maha-sarotra kokoa azy, dia toa misy ny mety ho fikorontanana bebe kokoa hanjo ny demaokrasia. Vakio ato ny tatitra feno. The Unfreedom Monitor
https://mg.globalvoices.org/2023/06/02/164402/
Tatitra Unfreedom Monitor: Kabary
2023-06-02T04:19:00
Unknown
Image courtesy Ameya Nagarajan Tsy nifankahazo amin'ny fitondrana tsirefesimandidy hatry ny ela ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraiki-pikarohana ato amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry tsirefesimandidy voatambajotra na tsirefesimandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohana ambany fifehezan'ny Unfreedom Monitor ity tsonga momba ny Kabary/Resaka ity. Vakio ato ny tatitra feno. Fitsipika fototry ny demôkrasia ny fahalalahana maneho hevitra, satria zo mamela ny olom-pirenena sy ny haino vaky jery hihazona ny fanjakana hanao tamberin’andraikitra sy ho tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataony amin’ny fitantanana ny firenena iray. Ny faneriterena ny fahalalaham-pitenenana dia fomba iray lehibe hanomezam-bahana ny tsirefesimandidy ankihy. Ny raharaham-pamakafakana an'i Rwanda no hampiseho fa mamerimberina miteny lalàm-pamoretana ny governemanta hifameno amin'ny teknolojian'ny fanaraha-maso sy ny famoretana ataon'ny fanjakana hikendrena ny feon-kevitra hafa. Miatrika sazy fanagadrana mampitroatra ny ankamaroan'ireo maningam-piteny voasambotra fa sahy manontany ny (tsy fiovan-)javatra na mihaika ny fitantaram-panjakana momba izay nitranga nitarika ny fandripaham-bahoaka tamin'ny taona 1994. Amin'ny tranga sasany, nisy namono na maty noho ny toe-javatra mampiahiahy ny mpanao gazety sy ny mpikatroky ny antoko mpanohitra. Mamboly kolontsain'ny fanivanan-tena eo amin'ny olom-pirenena izany toe-javatra izany amin'ny ankapobeny  sy fahatsapana ankapobeny amin'ny fanerena sy ny fiaraha-misafidy amin'ny fitantaran'ny fanjakana. Nisy traika masiaka tamin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny fiavian'ny teknolojian'ny fanaraha-maso ankihy ao Rwanda sy ny fampiasan'ny governemanta azy amin'ny hanaraha-maso ireo mamoaka feo hafa. Voatondro ho mpanjifa goavana amin'ny rindram-pitsikilovana Israeliana NSO, antsoina hoe Pegasus, izay nampiasaina hitsikilovana ireo mpanohitra ara-politikan'ny fitondran'ny Filoha Paul Kagame ary amin'ny tranga iray manokana, mba hitsofohana amin'ny fifandraisana manokan'ny filoha Afrikana Tatsimo Cyril Ramaphosa. Filazana tsipahin'ny fitondran'i Kagame mafy izy io. Tamin'ny volana oktobra 2019, voalaza fa nisy faharefoana tao amin'ny WhatsApp nahafahana nikirakira rindram-pitsikilovana Pegasus hikendrena ireo Rwandey mpisintaka ara-kevitra, anisan'izany ny mpanao gazety sy ny mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra (Amnesty, 2021). Vaindohan-draharaha ny zon'ny fiainana antakonana sy ny fiarovana angon-drakitra anjotra noho ny anjara asany akaiky amin'ny fandavorariana ireo zo hafa toy ny fahalalahana miteny, ny fahalalahana hahazo torohay sy ny fahalalahana hampijoro fikambanana, ankoatra ny hafa. Na izany aza, tsy mifanaraka amin'ny demôkrasia ny fampiasan'ny governemanta ny teknolojian'ny fanaraha-maso atao amin'ny mpanao gazety sy ny mpikatroka satria tsy afaka mampiasa an-kalalahana ny zony ry zareo haneho hevitra ao amin'ireo andian-asa fanaony. Dinihan'ity tatitra ity ny sehatry ny kabary/lahateny eo ambany saokan'ny Unfreedom Monitor, anasongadinana ireo fandrahonana sy fitantarana ampirisihan'ny fanjakana hanakanana ny fahalalahana toy izany, ka nampaisaina ho tranga hofakafakaina tamin'izany ny Repoblikan'i Rwanda. Vakio ato ny tatitra feno. The Unfreedom Monitor
https://mg.globalvoices.org/2023/05/31/164389/
Faritra avaratra atsinanan'i Niger, lasa fialofana ho an'ireo mpitsoa-ponenana mandositra ny fanafihana mitam-piadiana ao Sahel.
2023-05-31T03:49:41
Unknown
Zanak'ireo mpitsoa-ponenana tonga tao Tchintabaraden tamin'ny Janoary 2023. Sary an'i Khamed Najim, nahazoana alàlana Ao anatin'ny ady amin'ny asa fampihorohoroana ao Sahel , ho an'ny Tandrefana dia i Nizera izao no lasa mpiara-miombona antoka ho azy . Taorian'ny fisintahan'ireo andian-tafika frantsay tamin'ny Barkhane tao Mali tamin'ny Aogositra 2022, sy Burkina-Faso tamin'ny Martsa 2023, lasa tobim-pamaharana vaovaon'ny tafiky ry zareo Tandrefana mamita iraka fampandriana tany ao Sahel izao ny firenen'i Mohamed Bazoum , filoha hatramin'ny 2020. Raha ny marina dia fifandirana pôlitika sy ara-pinoana ilay ady ao Sahel izay mandrehitra efa ho firenena folo ao Afrika Andrefana, isan'ireny i Mali, Burkina-Faso, Maoritania, Côte d'Ivoire, Tchad, ny avaratr'i Nizerià, ny avaratr'i Bénin, ny avaratr'i Tôgô. Izy io dia ifanandrinan'ireo vondrona mitam-piadiana sy ny governemanta any amin'ireny firenena ireny. Manamafy ny fitomboana amin-kerin'i Nizera ao amin'ny faritra ny nandraisany ireo andian-tafika frantsay voaroaka avy any Burkina-Faso sy Mali, ny fandraisany anjara tamin'ny famotsorana an'i Olivier Dubois, frantsay mpanao gazety sy i Jeffery Woodke, amerikàna mpiasa ho an'ny maha-olona, nataon'ireo vondrona mitam-piadiana ho takalon'aina, ary ireo asam-piarovana hafa marobe. Saingy mametraka ilay firenena ho anaty toedraharaha manahirana ihany koa ny olan'ny tsy fandriampahalemana any amin'ireo firenena mpiray vodirindrina aminy. Na dia miatrika indraindray ireo fanafihan'ny djihadistes aza i Nizera, isanandro izy dia mandray mpitsoa-ponenana an'aliny maro avy amin'ireo firenena mpiray sisintany, ny ankamaroany avy any Mali. Hatramin'ny nialàn'ny tafika Barkhane, lasa marefo ny faritra avaratr'i Mali ary ao amin'ny faritra Ménaka dia marobe ireo toeram-ponenana ambany fifehezan'ireo mpampihorohoro. Ny tanànan'i Ménaka dia azo ambara ho eo am-pelatanan'ny Fanjakana Islamika manontolo ao amin'ny Grand Sahara (EIGS) izay mikatsaka ny hanao fahirano manodidina io tanàna misy mponina mihoatra ny 70.000 io. Araka ny voalazan'ny Kaomisera Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana miahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR), tamin'ny 31 Martsa 2023, Maliàna mpitsoa-ponenana mihoatra ny 20 000 , Nizeriàna mpitsoa-ponenana manodidina ny 16 000 ary teratany avy ao Nizera mihoatra ny 3. 000 niverina nody, no voarakitra tao amin'ny faritr'i Tahoua, any amin'ny 375 km eo ho eo ao avaratra-atsinanan'i Niamey , renivohitry ny firenena. Ireo mpitsoa-ponenana mandositra ady avy ao Mali sy Burkina-Faso dia raisina ihany koa ao an-tànanan'i Tchintabaraden (any amin'ny 125 km eo ho eo ao avaratra-atsinanan'ny faritr'i Tahoua, sy any amin'ny 480 km avaratra-atsinanan'i Niamey). Mba hahatakarana tsara hoe anatina toedraharaha toy ny ahoana no ikarakaràna io fandraisana mpitsoa-ponenana io, ny Global Voices  dia nanao tafa WhatsApp tamin'i Khamed Kili Kili Najim, mpanolotsain'ny kaominina ao amin'ny kaominina an-tanandehibe ao Tchintabaraden. Jean Sovon (JS): Na isan'ireo firenena ao Sahel aza izy, toa tsy dia mizaka loatra ny fanafihan'ireo “djihadistes” i Nizera. Ahoana no hanazavànao an'izay? Khamed Najim (KN) : Ny pôlitikan'ny governemanta  ao Nizera no tsy maintsy isaorana, izay nisafidy ny hiaraka amin'ireo mpiara-miombona antoka rehetra, eorôpeàna, amerikàna ao anatin'io ady amin'ny asa fampihorohoroana io. Amin'izao fotoana izao dia izy no firenena tsara aro indrindra ao atsimon'i Sahel satria tsy misy na iray aza olompirenena  avy ao Nizera nandeha nandositra ny fireneny mba hitady fialofana any rehetra any. Vao haingana aho no nandalo tany avaratry ny firenena mba hijery ny fitosak'ireo Maliàna mpitsoa-ponenana tonga isanandro ao Tchintabaraden. Ny fahamarinan-toerana pôlitika asehon'i Nizera sy ny fiarahany miasa amin'ireo mpiara-miombona antoka rehetra ho amin'ny fampandrosoana sy ny ady amin'ny fampihorohoroana no manome azy izay tombony izay. JS: Io tombony io dia ahafahany ankehitriny mandray mpitsoa-ponenana tonga avy amin'ireo firenena mpiray vodirindrina. Tsy atahoranareo ve hoe io fandraisana vahiny io dia mety hisarika ny sain'ireo vondrona mitam-piadiana izay mety hanafika an'i Nizera? KN : Izay indrindra, atahoranay izany, saingy tsy manan-tsafidy izahay. Tchintabaraden dia iray amin'ireo kaominina lehibe indrindra ao avaratr'i Nizera, maro an'isa ao ny Touaregs . Ny kolontsaina Touareg dia mametraka ny adidy fandraisana vahiny sy ny fanajàna ireo fepetra iraisampirenena. Mahazo toky izahay satria miasa ny fanjakana sy ireo mpiara-miombona antoka aminy manao izay hifehezana ireny mpitsoa-ponenana ireny dieny eo am-pahatongavana sy mandritra ny fipetrahany. JS: Atahorana ve ny mety hisian'ny fifanenjanana noho ny fiaraha-mipetraka, eo amin'ireo mponina eo an-toerana sy ireo mpitsoa-ponenana? KN : Amin'izao fotoana izao aloha dia apetraka daholo ny fitaovana rehetra ilaina mba hitondrana ho an'ireny fianakaviana ireny ny fanampiana ilainy ho an'ny fivelomany sy hahafahan'ireo ankizy an'aliny maro mahazo fikarakaràna sahaza sy fidirana an-tsekoly. Tsara marihana fa ny sasany dia eo an-dalam-pifindràna ho any Alzeria sy Libia. Momba ny mety hisian'ny fifanenjanana indray, tsy antony hisian'ny krizy anatiny ao Nizera raha io. Mahazo toky izahay rehefa manaraka eo tsy tapaka ireo manampahefana, manentana ireo mpitsoa-ponenana sy ny mponina eo an-toerana momba ny firaisankina sôsialy, ny fiarahana miaina ary ny fisorohana ny fifandonana. Izay rehetra fanahy tsara sy maha-olombelona manana ny toetra araka an'Andriamanitra dia tokony hirehareha hanampy ny mitovy aminy na ireo afrikàna rahalahiny. Ary izany indrindra no ataonay ao Tchintabaraden JS: Inona avy ny tohana azon'i Nizera avy amin'ireo firenena tandrefana ho entiny miatrika ny djihadistes? KN : Amin'ny ady ataony amin'ny djihadistes, miaraka miasa amina mpiara-miombona antoka marobe i Nizera, tsy ny Tandrefana irery ihany. Ankoatra ireo mpiara-miombona antoka toa an'i Frantsa sy Etazonia (izay efa manana toby famaharana roa stratejika ao amin'ny firenena), eo koa i Tiorkia, India ary Shina. Mandray anjara daholo amin'ny sehatra marobe ireny mpiara-miombona antoka ireny, indrindra fa ny fiarovana, ny fanofànana, ny fitaovam-piadiana ary ny fitsikilovana. JS: Mariky ny fitomboana amin-kery ananan'i Nizera ve izany? KN : Tsy isalasalàna, io toedraharaha io dia mariky ny fitomboana amin-kerin'i Nizera. Fahiny, ireo firenena mpiray vodirindrina no nisitraka io tombontsoa io noho ny toerana stratejika misy azy ireo miaraka amin'ireo firenena matanjaka. Fa ny krizy tato ho ato dia nanome ny firenenay ny fahafahana hipetraka ho toy ny mpisehatra goavana ao anatin'io ady amin'ny asa fampihorohoroana ao Sahel io. Tanatin'ny fotoana fohy, nahavita zavatra izy, izay nanome toky ireo firenena matanjaka. Antenaintsika fa mbola hanao misimisy kokoa izy, mihoatra noho izay efa nataony tao Sahel. Mahatsiaro fitoniana eto amin'ny firenena izao ireo mpitsoa-ponenana. Ankoatra izay dia tsy misy na iray aza terataany avy eto Nizera nandeha nandositra ny fireneny hikaroka fialofana any rehetra any.
https://mg.globalvoices.org/2023/05/30/164359/
Yoweri Museveni namoaka lalàna famoretana mahatonga ny vondrompiarahamonina LGBTQI+ ogandey ho tandindonin-doza goavana
2023-05-30T08:36:39
Unknown
Sarin'ny fihetsiketsehana iray nataon'ny vondrompiarahamonina LGBTQ tao Ogandà, fantsona  YouTube Africanews Ny olana Mey 2023 dia manamarika fiolahan-dàlana iray eo amin'ny andavanandron'ireo vondrompiarahamonina LGBTQI+ ao Ogandà , toerana izay ahitan-dry zareo ny fampidirana am-ponja sy ny fanamelohana ho faty mananontanona ny fiainan-dry zareo taorian'ny 2 Mey nankatoavan'ny antenimiera lalàna iray . Tsarain'ireo mpiaro zon'olombelona sy ny fianakaviambe iraisampirenena ho tena famoretana tafahoatra, io lalàna tamin'ny 29 Mey 2023 vao avy nankatoavin ‘ny filoha, Yoweri Museveni , teo amin'ny toerany hatramin'ny 1986 io. Fanambaràna ôfisialy natao tao amin'ny kaonty Twitter-n'ny fiadidiana any lapam-panjakana . President @KagutaMuseveni has assented to the Anti-Homosexuality Bill 2023. It now becomes the Anti-Homosexuality Act 2023. pic.twitter.com/fDQpmE2W9X — State House Uganda (@StateHouseUg) May 29, 2023 Nankatoavin'ny filoha @KagutaMuseveni ny volavolan-dalàna 2023 manohitra ny fiarahan'olon-droa mitovy (fahapelahana). Lasa lalàna 2023 manohitra ny fiarahan'olon-droa mitovy izy anomboka izao. pic.twitter.com/fDQpmE2W9X — State House Uganda (@StateHouseUg) 29 Mey 2023 Fihetsehampo manohitra ny LGBTQI+ any an-tampon'ny Fanjakana Matetika irao parlemantera ogandey no maka fomba fijery hiringiriny manoloana ireo pelaka, noho ny antony fiarovana ireo soatoavina nentindrazana momba ny fianakaviana, kolontsaina ary finoana ara-pivavahana .  Toy izany no nankatoavan-dry zareo voalohany tamin'ny 21 Martsa 2023 ny lalàna iray milaza sazy henjana fampidirana am-ponja ireo pelaka. Noho ny tsindry avy amin'ny fianakaviambe iraisampirenena, nanome baiko i Yoweri Museveni , ny hamerenana mijery ny votoatin'ilay lalàna. Fa tsy nampilefitra ny filoha ogandey ireo tsindrin'ny mpamatsy vola, mpampindram-bola sy ireo mpiara-mitan-tsoroka amin'ny fireneny izay niantso fanasaziana , indrindra fa ara-toekarena , raha toa ka laniana ilay lalàna. Ny mifanohitra amin'izay aza, nomeny ny tsodranony ilay tolokevitr'ireo parlemantera. Izany tokoa, tsy  mbola namofompofona fahamasinana mihitsy i Yoweri Museveni nanoloana ireo vondrompiarahamonina LGBTQI+ ao Ogandà, izay lazainy fa « faty mitsangana » na « maty tapaka » tamin'ny fampiasàna ny fomba fiteny ao an-toerana hoe “Ekifire” . Tamin'ny 2014, efa nandraman'i Museveni ny nampandany lalàna iray manohitra ny fahapelahana, niaraka tamin'ny fanohanan'ireo evanjelika amerikàna. Tamin'izany fotoana izany, ilay tolodalàna dia avy amin'i David Bahati , solombavambahoaka avy amin'ny antoko eo amin'ny governemanta Mouvement de Résistance Nationale (MRN), ary avy eo nosoniavin'i Museveni talohan'ny nitsipahan'ny fitsaràna momba ny lalàm-panorenan'ny firenena azy tamin'ny 1 Aogositra 2014. Aina an'aliny maro tandindonin-doza Midika ny fankatoavana ity lalàna ity fa manomboka izao dia tandindonim-pahafatesana ny vondrompiarahamonina LGBTQI+ . Araka ny fanazavan'ity lahatsoratry ny VOA ity : Na izany aza, ao anatin'ilay lalàna vaovao, notazonin'ireo parlemantera,  mifanohitra amin'ny fijerin'ny filoham-panjakana, ny andalana iray milaza ny “fahapelahana tafahoatra” ho heloka faratampony, mahatonga ireo izay mpamerin-keloka hiharan'ny fanamelohana ho faty. Manampy trotraka izany ny dona ara-tsaina maharitra, araka ny fanazavana ao amin'ny fanadihadiana iray an'i BBC Afrique , nataon'i Ali (anarana indramina mba hanafenana ny mombamomba azy), Ogandey pelaka. Tsy te-hahita azy intsony ny ray niteraka azy, toy izany koa ny fiarahamonina misy azy. Teo amin'ny fandraisampeon'ny BBC Afrique, mitantara izy: Hoy ny raiko tamiko : Tsy te-hahita anao intsony aho mandrakizay. Tsy zanako ianao. Tsy te-hanana zanaka tahaka anao aho. (…) Tamin'ny 2020, nanao bemidina tao amin'ny toeram-pialofana ny pôlisy. Nilahatra izahay ary niantso anay ny vahoaka mba hijerena ny tavanay, hanesoana sy hanalàna baraka anay. Nororàn'ny olona izahay. Rehefa tonga tany am-ponja, efa nahafantatra sahady ny tantaranay ny sasany tamin'ireo voafonja. Tany anaty gazety no namakian-dry zareo izany. Tsy maintsy nandà nilaza ho tsy pelaka izahay ho fiarovanay ny ainay. Loharanon'aingampanahy ho an'ny firenena hafa ve? Tena faran'izay mampalahelo tokoa ny nandaniana ity lalàna ity satria mety handrisika ireo firenena afrikàna hafa haka fepetra tahaka izany koa, araka ny fanazavan'i Robert Waffo, mpikatroka ao anatin'ny sampana afrikàna ao anivon'ny International Lesbian, Gay, Bisexual, Trans and Intersex Association (ILGA) ao anatin'ity lahatsary fanadihadian'ny Africanews ity : Araka ny vaovao avy amin'ny ILGA naverin'ny Tv5Monde nozaraina ,  toa an'i Afrika Atsimo, izay mpisava làlana tamin'ny fankatoavana ireo lalàna miaro ny pelaka ao amin'ny tanibe, dia firenena 15 ( Mali, Burkina-Faso, Niger, Botswana, Lesotho, Mozambique, Madagascar, Angola, Congo, République Démocratique du Congo, Centrafrique, Gabon, Côte d'Ivoire, Guinée Bissau, Bénin) no nanao ny maha-pelaka ho tsy heloka ao anatin'ny lalàm-panorenan'izy ireo. Firenena dimy hafa (Ghana, Sierra Leone, Namibie, Zimbabwe, Eswatini) no namela amin'ny ampahany ny maha-pelaka, raha mihoatra ny 20 kosa ireo firenena manameloka azy io tanteraka amin'ny fampidirana am-ponja. Ao Ogandà, io faneriterena ny fahalalahan'ireo LGBTQI+  io dia lova avy amin'ny fanjanahan'ny Britanika izay notahirizin'ireo manampahefana ogandey tao anatin'ny lalàna ady heloka ao amin'ny firenena, ao amin'ny andininy faha-145. Hoy ilay andininy: Tsy ara-dalàna ny maha-pelaka, ary “izay rehetra firaisana ara-nofo mifanohitra amin'ny natiora dia voaràra daholo”. Fanehoankevitra mahery vaika Eny anaty tranonkala, tsy niandry ela ny fanehoankevitr'ireo Ogandey. Ho an'ireo mpankahala pelaka, fanapahankevitra tsara ilay noraisin'ny filoha ogandey. Miteny i Mr Jordan , tanora ogandey mpikatroka: Because homosexuality poses a serious threat to human reproduction. Thank you, H.E., for setting an example for humanity by leading the charge to preserve Africans from this decadence and degeneration. — 𝐌𝐑. 𝐉𝐎𝐑𝐃𝐀𝐍 (@MrJordanposts) May 29, 2023 Satria loza mananontanona henjana ho an'ny fitohizan'ny taranak'olombelona ny maha-pelaka. Misaotra Andriamatoa filoha hajaina, tamin'ny fanomezana anatra ny zanak'olombelona amin'ny fitarihana ny andraikitra hiarovana ny Afrikàna amin'io fikorosiana fahana sy fahapotehana io. — 𝐌𝐑. 𝐉𝐎𝐑𝐃𝐀𝐍 (@MrJordanposts) 29 Mey 2023 Avy amin'ny ankolafin'ny vondrompiarahamonina LGBTQI+, toy ny fanapahankevitra tsy manara-dalàna no niainany izany, izay manaisotra ny zony amin'ireo pelaka. Araka ny lazain'i Shaun Mellors , pelaka iray afrikana tatsimo, ho valinteny ho an'i Museveni: Mr. President what happened to the African Charter on People and Human Rights – to which you signed on “Every human being shall be entitled to respect for life and the integrity of his person. No one may be arbitrarily deprived of this right”. Strength to our #LGBQI family — Shaun Mellors (He/Him) (@ShaunMellors) May 29, 2023 Andriamatoa filoha, inona no nahazo ny Sata Afrikàna momba ny zon'ny olona tsirairay sy ny zon'olombelona – izay nosoniavinao : « Ny olombelona rehetra dia manana zo amin'ny fanajàna ny fiainany manokana sy ny fahamendrehany. Tsy misy olona azo sakànana tsy hisitraka io zo io amin'ny fomba tsy ara-dalàna. »  Hahery anie isika mianakavy #LGBQI — Shaun Mellors (He/Him) (@ShaunMellors) 29 Mey 2023 Fanoherana manerana ny tany Miaraka amin'ity fanapahankevitra ity, omen'ny filoha ogandey lamosina ny fianakaviambe iraisampirenena manontolo sy ireo fikambanana iraisampirenena nitondra ny fanampian'izy ireo ho an'ny vondrompiarahamonina LGBTQI+ ao Ogandà. Vao lany ilay lalàna dia efa nisy ny fampitambaovao avy amin'ireo tomponandraikitra iraisampirenena nanameloka io lalàna io. Ho an'i Volker Türk , kaomisera ambony ao amin'ny ONU misahana ny zon'olombelona: « Ny fandaniana ity lalàna manavakavaka ity, izay angamba ny ratsy indrindra eto ambonin'ny tany, dia fivoaran-javatra faran'izay mampanahy tokoa». Tigere Chagutah , talen'ny Amnesty faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo, kosa nanombana hoe: « Ity lalàna tsy mazava, narafitra tamin'ny fomba manjavozavo ity, dia manameloka na dia ireo “mampiroborobo ny fahapelahana” aza. Tena hamehana ny tokony hampiasàn'i Museveni ny vato tsy azo ivalozana amin'io lalàna mahatsiravina io. Hampiorina ny fanavakavahana, ny fankahalàna ary ny fitsarana an-tendro » atao amin'ny vondrompiarahamonina  LGBTQ+ io». Antony Blinken , lehiben'ny diplaomasia amerikàna niampanga ny fandaniana io lalàna io. Hoy izy ao amin'ny Twitter: The Anti-Homosexuality Act passed by the Ugandan Parliament yesterday would undermine fundamental human rights of all Ugandans and could reverse gains in the fight against HIV/AIDS. We urge the Ugandan Government to strongly reconsider the implementation of this legislation. — Secretary Antony Blinken (@SecBlinken) March 22, 2023 Ny lalàna manohitra ny firaisan'ny mitovy taovam-pananahana, nankatoavin'ny parlemantera ogandey omaly dia hanohintohina ireo zo fototry ny Ogandey rehetra, ary mety hampitsimbadika ireo zavatra efa azo tao anatin'ny ady tamin'ny VIH/SIDA. Manainga ny governemanta ogandey izahay mba hiverina hijery akaiky ny fametrahana io lalàna io. — Secrétaire d'État Antony Blinken (@SecBlinken) 22 Martsa 2023 Ireny onjam-panohanana ny vondrompiarahamonina LGBTQI+ ao  Ogandà ireny dia mety hisy fiantraikany amin'ny fifandraisany amin'ireo Tandrefana mpanome fanampiana sy mpampiasa vola tadiavin'i Yoweri Museveni homena tombondahiny. Izany tokoa, tamin'ny Aprily 2022, ny angondrakitra vonjimaika navoakan'ny Bank of Uganda , dia mametraka ny trosam-panjakan'ilay firenena ho 74.714,4 lavitrisa shilling (manodidina ny 20 lavitrisa USD), izany hoe 48,8 % amin'ny harinkarena faobe . Ireo tena mpamatsy vola ny firenena dia i Etazonia amin'ny alàlan'ny USAID, ny Fiombonambe Eoropeàna, ny Fanjakana Mitambatra, ny Banky Iraisampirenena ary ny FMI.
https://mg.globalvoices.org/2023/05/10/163866/
Ady amin'ny fanaovana an-tendro feno herisetra ao Sahel sy ao Afrika Andrefana : fanamby lehibe iray ho an'ireo mpitarika fivavahana
2023-05-10T02:02:46
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Deutsche Welle. . Ny fanaovana an-tendro feno herisetra any Sahel sy any Afrika Andrefana dia azo hazavaina amin'ny alalan'ny famaritana maromaro toy ny tantara, ny jeografia, ny politika ary ny toe-karena ao amin'ilay faritra. Manondro foto-pampianarana tsy mifanaraka amin'ny foto-pisainany io trangan-javatra io, izay toherin'ireo mpandàla azy ny endrika rehetran'ny fahalalàna ny antonony na ny fomba hafa mifanohitra amin'ny filozofian-dry zareo. Eny tokoa fa, taorian'ny andiana fahaleovantena maro nitranga tamin'ny taona 1960 dia firenena Afrikana maro no niatrika ny fitantanana raharaham-bahoaka, ary izany dia talohan'ny nahatongavan'ny demokrasia mihitsy aza. Saingy tsy nasiam-piheverana ny hoe ny fiaraha-miaina dia hifanehatra amina karazana fanaovana an-tendro feno herisetra vitsivitsy noho ireo singa fanova sasany toy ny hamaroan'ny fivavahana sy foko misy(…). Eny tokoa, misy foko 2.000 mahery ao Afrika. Mba ho fitadidiana, afaka maka endrika maro ity fanaovana an-tendro feno herisetra ity, anisan'izany endrika ara-politika, toekarena, sosialy na ara-pinoana. Tsy resaka fivavahana fotsiny ihany ny fanaovana an-tendro feno herisetra Ny fanaovana an-tendro feno herisetra dia voafaritra misimisy kokoa “amin'ny ffifanalaviram-pitenenana”, hoy ny fanazavan'i Michel Alopko, sekretera jeneralin'ny sehatra fifampidinihan'ireo antokom-pivavahana ao Bénin tamin'ny tafatafa iray nifanaovany tamin'ny Global Voices (GV) mikasika ny andraikitr'ireo mpitondra fivavahana amin'ny ady hanoherana ny fanaovana an-tendro feno herisetra. Ireo vondrona isankarazany – ara-pivavahana, politika, mpiaro ny tontolo iainana, mpandala ny foko sy tanindrazana, dia mety hitarika amin'ny fanaovana an-tendro feno herisetra. Araka ny voalazan'ny profesora Jocelyn Bélanger , manampahaizana manokana amin'ny dingan'ny fanefena ho mpanao hiringiriny : “ ny tena antony mitarika ny olona iray hiditra amina vondrona mpanao herisetra dia ny hirifiry ara-tsosialy “. Araka izany, na dia ny ideolojia aza mipoitra ao anatin'ny dingan'ny famadihana mahery setra ho lasa mpanao hiringiriny rehefa manaraka ny dingan'ny firotsahana an-tsehatra ity farany. Tahaka izay nomarihin'i Bélanger, “ ny fanabeazana ara-pivavahana nentim-paharazana aza dia manohitra izay voatondro ” ao anatin'ny dingan'ny famadihana ho mpanao hiringiriny. Ao Sahel, maro ireo anton-javatra mety hanome vàhana ny fipongarana sy ny fihitaran'ny fanaovana an-tendro mahery setra : ny fanilikilihana ny foko sasany mihoatra ireo hafa, ny tsy fitoviana, ny fanavakavahana, ny fanaovana dika vilana ireo fitsipika ara-pivavahana, indrindra amin'izany ny finoana silamo sy ny maha-kristianina, ny fitantanana ratsy an'ireo harenam-bahoaka, ny kolikoly, ny fandàvana ny zo sy ny fahalalahana sivika, ny zara fa fisian'ny fanantenana hanana asa sy ny tsy fahampian'ny fivelomana . Momba ireo antony manome vàhana ny fihitaran'ny fampihorohoroana dia naneho hevitra tamin'ny alàlan'ny bitsika iray ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana ankehitriny hoe vokatry ny anton-javatra maro izany : « Le terrorisme restreint son emprise en traquant et en exploitant les faiblesses et l'instabilité des systèmes politiques, économiques et sécuritaires ». — @antonioguterres s'aide sur la lutte contre le terrorisme et la prévention de l'extrémisme violent. https://t.co/zwS8srnL2c pic.twitter.com/Wo7KEZV61G — Nations Unies (ONU) (@ONU_fr) 29 mars 2023 ” Ny asa fampihorohoroana dia manaketoka ny vahohony amin'ny alalan'ny fihazàna sy fananaraotana ny faharefoan'ireo rafitra ara-politika, ara-toekarena ary ara-piarovana”. — @antonioguterres mifanampy amin'ny ady manohitra ny asa fampihorohoroana sy ho fisorohana ny fanaovana an-tendro feno herisetra. https://t.co/zwS8srnL2c pic.twitter.com/Wo7KEZV61G — Nations Unies (ONU) (@ONU_fr) 29 Martsa 2023 Ato anatin'ity bitsika hafa ity, manome ny heviny mikasika ny fampifandraisana napetrany eo amin'ny fivavahana sy ny fanaovana an-tendro feno herisetra ilay mpikatroka mitondra ny anarana hoe Jeunesse Wakanda Ce qui était valide en août 2018 dans ces images, l'est toujours aujourd'hui. L'extrémisme violent est une notion qu'on nous a parachuté car la religion en Afrique est pacifique. pic.twitter.com/xzHvpq3REr — Jeunesse Wakanda #Afrique #Soutien 💝🌍💪🏼 💖 (@JeunesseWakanda) 15 juin 2020 Izay nanan-kery tamin'ny volana Aogositra 2018 tao anatin'ireo sary ireo dia mbola mitoetra hatrany ankehitriny. Fomba fihevitra vao nalatsaka tao amintsika ny fanaovana an-tendro feno herisetra satria ny fivavahana ao Afrika dia tia filaminana. pic.twitter.com/xzHvpq3REr — Jeunesse Wakanda #Afrique #Soutien 💝🌍💪🏼 💖 (@JeunesseWakanda) 15 Jona 2020 Araka ny voalazan'i Ban Ki-moon , Sekretera Jeneraly fahiny tao amin'ny Firenena Mikambana, dia tsy tombontsoan'ny fivavahana manokana ny fanaovana an-tendro feno herisetra : L'extrémisme violent n'est pas l'apanage d'une religion en particulier, selon Ban Ki-moon https://t.co/STba6i1Ehv pic.twitter.com/tcX51Gdzxe — Nations Unies (ONU) (@ONU_fr) 10 avril 2016 Tsy tombontsoa manokan'ny fivavahana ny fanaovana an-tendro feno herisetra, araka ny voalazan'i Ban Ki-moon https://t.co/STba6i1Ehv pic.twitter.com/tcX51Gdzxe — Nations Unies (ONU) (@ONU_fr) 10 Aprily 2016 Ny fivavahana ampiasaina ho fitaovana hanoherana ny fanaovana an-tendro feno herisetra Mifamatotra lalina amin'ny ara-pivavahana ny ankabeazan'ireo fiarahamonina Afrikana. Raha ny mikasika an'i Sahel sy Afrika andrefana, resin'ny finoana miozolmàna ny kristianisma ao anatin’ ireo mponina vinavinaina ho maherin'ny 920 tapitrisa tamin'ny tapaky ny taona 2014 . Raha ny fifamatorana mivantana eo amin'ireo mpino sy ireo tomponandraikitra ara-pivavahana no jerena dia zava-dehibe ny anasongadinana ny tena anjara andraikitra goavan'iretsy farany ao anatin'ny fisorohana ny herisetra mahery vaika, eo amin'ny lafiny fiarovana ny sivily sy ny fampihavanana , hoy ny hevitr'i Anne Gueguen, solontena maharitra Frantsay fahiny teo anivon'ny Firenena Mikambana tao anatin'ny lahateniny nandritra ny fivorian'ny Filankevi-Piarovana ao amin'ny Firenena Mikambana, manaraka ilay raikipohy Arria tamin'ny 24 Aprily 2018. Araka ny Rakibolan'ny Firenena Mikambana , “ny raikipohy Arria” dia fepetra iray ahafahan'ireo mpikambana ao amin'ny Filankevi-Pilaminana hihaino, mandritra ireo fifampiresahana tsy manara-drafitra ivelan'ny efitranony, an'ireo olona izay manana fahaizamanao toa mety hanazava ny Filankevitra amin'ireo raharaha manahirana azy. Tany anatin'ireo media an'ny Jeune Afrique, “ ny fivavahana, amin'ny ankapobeny, dia manana anjara toerana sy fitaomana mangina eny anivon'ireo vondron'olona ” hoy Moussa Mara Praiminisitra taloha tao Mali, filohan'ny antoko Yelem, teo amin'ny tsanganana iray mikasika ny anjara toeran'ny Silamo ao Afrika. Ary koa, noho ny fitomboan'ny teoria amin'ny fivavahana, indrindra ny finoana silamo, ho toy ny singa mandray anjara anatin'ireo ezaka an'ady ataon'ireo mpampihorohoro, dia tsy azo tsinontsinoavina ny anjara asan'ireo mpitarika ara-pivavahana ao anatin'ny ady hanoherana ny fanaovana an-tendro feno herisetra. Voalohany, ireo mpitarika fivavahana dia misitraka ny maha-akaiky an-dry zareo an'ireo mpisehatra rehetra ao amin'ny fiarahamonim-pirenena. Faharoa, “ zava-dehibe ny anjara toeran'ireo mpitarika fivavahana ao anatin'ny fitantanana fiarahamonina ” hoy ny fanazavan'i Bakary Sambe, talem-paritry ny Timbuktu Institute , mpandini-draharaha maliàna. Noho izany, toa sahala amin'ny zava-dehibe ihany koa fa ankoatra ny Fanjakana, izay manana andraikitra voalohany amin'ny fiarovana ny vahoaka, ireo mpitarika fivavahana dia azo heverina ho sahala amin'ny “ mpiara-miasa matanjaka amin'ny fisorohana ny heloka bevava feno habibiana sy ny fandrisihana azy ireny ” hoy ny fivakiny tao anatin'ny drafitrasan'ireo Tomponandraikitra sy mpisehatra ara-pivavahana ao amin'ny Firenena Mikambana. Araka izay tondroin'ny rantsana isam-paritra ho fisorohana sy ny ady manohitra ny fanaovana an-tendro feno herisetra teo amin'ny kaontiny Twitter CellRad : #CellRadSmartIdea En matière de lutte contre l'extrémisme violent, la religion doit être perçue comme une solution et non comme le problème. @G5_Sahel_SE @MISAHELOFFICIEL @Thinkpeacesahel #Sahel #PVE #radicalisation #paix – CellRad (@CellRadG5Sahel) 31 décembre 2021 #CellRadSmartIdea Eo amin'ny lafiny ady hanoherana ny fanaovana an-tendro feno herisetra, tokony ho toy ny vahaolana no hijerena ny fivavahana fa tsy ho olana. @G5_Sahel_SE @MISAHELOFFICIEL @Thinkpeacesahel #Sahel #PVE #radicalisation #paix – CellRad (@CellRadG5Sahel) 31 Desambra 2021 Ny anjara toeran'ireo mpitarika fivavahana amin'ny fisorohana sy ny ady atao amin'ny fihetsika mahery setra dia mandalo amin'ny fifanakalozan-kevitra, ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana any anivon'ireo antokom-pivavahana samihafa misy azy. Raha tsorina dia iraka hanabe no asan'izy ireo. Ary ny “ fampidirana ny soatoavin'ny fandeferana sy ny tsy fanaovana hery setra, ny fifanekena sy ny fifanajana, ary amin'ny alalan'ny fanaovana hetsika mba hampitoniana ny fifanolanana eo amin'ny samy vondrom-piarahamonina ” hoy ny fanamafisan'ny drafitrasan'ireo Tompon'andraikitra sy mpisehatra ara-pivavahana ao amin'ny Firenena Mikambana. Mba ho famporisihana ireo mpitondra fivavahana amin'ny anjara toerany amin'ny maha-mpisehatra miasa ho amin'ny fandriampahalemana sy ny firaisankina ara-tsosialy azy ireo, namboraka ny heviny teo amin'ny tranonkala Bénin Intelligent i Michel Alokpo ,  sekretera jeneralin'ny rafitra fifampidinihan'ireo antokom-pinoana ao Bénin, hoe : Raha nanana onjam-peo sy fahitalavitra azy manokana ny fiangonana, dia tokony handefa ny hafatry ny fandriampahalemana ao amin'ireto farany isika. Afaka miasa ihany koa isika amin'ny fananganana fiarahamientana eo amin'ireo antokom-pivavahana samihafa. Ary ny Fanjakana dia tokony hanampy antsika ao anatin'io fampitàna ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana io. Hita ihany koa ao anatin'ny fitànana an-tsoratra ny fehin-kevitry ny Fihaonana Lehibe “Grand Rendez-vous 2023″ ity hafatra ity, mikasika ny fanaovana an-tendro feno herisetra ao Afrika Andrefana sy Afovoany , izay voalaza ao anatin'ity bitsika manaraka ity : 🚨 [Relevé des conclusions – Grand Rendez-vous 2023 Prévention de l'extrémisme violent en Afrique de l’Ouest et centrale : réalités et perspectives] – #Dakar #Sénégal Quelques points saillants importants à retenir du relevé des conclusions ✍🏽 : 👉🏽 Page 2 (Point 6) : 💬 « La… pic.twitter.com/BLtv4QpKA9 — Birane Hane (@BiraneHane) March 28, 2023 🚨 [Fitànana an-tsoratra ireo fehinkevitra – Grand Rendez-vous 2023 Fisorohana ny fihetsika mahery setra ao Afrika Andrefana sy Afovoany : zava-misy sy fomba fijery] – #Dakar #Sénégal Teboka vitsivitsy manan-danja hotadidiana avy  amin'ny fitànana an-tsoratra ireo fehin-kevitra ✍🏽 : 👉🏽Pejy faha-2 (Teboka faha-6) 💬 « La… pic.twitter.com/BLtv4QpKA9 — Birane Hane (@BiraneHane) 28 Martsa 2023 Araka izay lazain'ity lahatsoratra an'ny gazety Reflets ity dia mbola mampanahy ny toe-draharaha : Tao anatin'ny fehinkevitr'izy ireo dia niombon-dry zareo hevitra ny momba ny tsikaritra ankapobeny, hoe ny fanaovana an-tendro feno herisetra sy ny fisehony isan-karazany dia mihitatra sy mbola misy voka-dratsy ho an'ireo Firenena ao Afrika Andrefana, Sahel ary Afrika Afovoany. Hatramin'ny 2015  nanombohan'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana, M. Antonio Guterres, ny drafitrasa iraisam-pirenena ho Fisorohana ny fanaovana an-tendro feno herisetra (PEV), ary na eo aza ireo ezaka nataon'ny tafika sy ireo mpiahy fandriampahalemana, dia tsy nihena ireny herisetra ireny.