url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-tsara-toerana | TSY TSARA TOERANA | Fredy Jaofera | TSY TSARA TOERANA
Tsy tsara toerana
ianao ankehitriny
fa manam-pitia
raha be fitserana
iny tantarako iny
ka soava dia !...
Tsy tsara toerana
tena azo itokiana
fa ilay antenaina
ka tsy nanaterana
ireo efa faniriana
novolavolaina.
Tsy tsara toerana
hitarika ahy ihany
rehefa ory moana
ka tsy nitaterana
se... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ny-andaniny-sy-ankilany | Ny ANDANINY SY ANKILANY | NY Andri-Fara | Ny Andaniny sy ny Ankilany
Zo no takiana ary tsy azo hafindra
Mangetana mafaitra ny tolona hiadiana.
Foana vetivety ilay hany nantenaina,
Rava tsy nisy nangaina tanteraka.
Jiro no takiana mba harehitra
Rano no tadiavina mba hosotroina.
Adino ilay karama efa vari-masaka,
Ny vatsim-pianarana tavela nitresaka.
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahiana/tany-ao-anaty-afaka | Tany ao anaty afaka | TAHIANA | Ry Madagasikara malalako tia
Ankehitriny dia feno tomany sy dia
Misy fandrobana, misy halatra
Tsy hita intsony izay marina sy tsara
Ny olona miahiahy isan’andro
Mivelona amin’ny fanantenana sy andro
Ny rano sarotra, ny sakafo tsy ampy
Ny fiainana an-dalambe, lasa misy harena tsy ampy
Ny mpianatra mitady ho avy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/ry-malagasy | Ry Malagasy | RODER | Ry Malagasy, ndao hiady ho an’ny Marina
Ry Malagasy, zanaky ny tany soa,
Aza mangina, aza matahotra koa.
Ny Marina no herintsika sy hery,
Tandremo sao ho resy amin’ny very.
Tsy amin’ny sabatra no adintsika,
Fa amin’ny fitiavana sy ny hevitra madio.
Tsy amin’ny lainga no hahazo fandresena,
Fa amin’ny fanahy mana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/tapaka-hevitra | TAPAKA HEVITRA | Ravo | TAPAKA HEVITRA
Tapaka hevitra aho fa hovelariko ihany,
Hahafahako milalao ny peniko eo aminy...
Izaho manko tsy manana izay hentina ho any
Amin’ilay malala miandry ao amin’ny akaniny.
Tena tsy ho vitako, izaho tsy mihambo...
Ka aza manantena kintana, fa ireny tsy sahaza;
Teny an-jaridaina aho, nikasa hioty vonin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-halaviranq | NY HALAVIRANA | Fredy Jaofera | NY HALAVIRANA
Miramirana
tsy misento raha adika,
na samirery moa ;
ny halavirana
dia manampy antsika
hifankatia kokoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edena-mna/am-pelatananao | AM-PELATANANAO | Edena Mna | Ny fiainako Jesoa
Aza avelanao irery
Raha mihatrika ady mafy
Fa aoka Ianao hijery
Hiaro ahy tsy ho faty
Ny fiainako Jesoa
Indraindray sembanin-drahona
Ka vonton-tomany
Ianao anie hanohana
Sy hanarina ahy hatrany
Ny fiainako Jesoa
Raha anaty fifaliana
Henim-pahasoavana
Aoka aho hahay hangina
Hanetry tena s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/fotoananny-asa | FOTOANAN'NY ASA | Ravo | Fotoan'ny asa
izao no fotoanan'ny asa
ka mifohaza amin'izay,
afoizo ny fandria-mafana
sao ilaozam-balala eo ialahy.
izao no fotoanan'ny asa
ka mba kingakinga ry akama,
mahaiza mandray ravin-deno
fa tsy ilaozana misalasala.
izao no fotoanan'ny asa
ka aza ilaozana mitatasiaka,
tsy tranom-borona io ka ho vitan'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/malalako | Malalako, | RAVINALA | Raha talanjona aho, talanjona ny hankatonao
Tsy haiko koa hoe ianao no mahatalanjona sa izaho no efa babonao
Ka izay rehetra ataoko toa ahitako ilay endrikao
Ataoko angamba, tsara lotra ianao.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/mandria-ampiadanana | mandria ampiadanana | cedarf | Mahatsiaro anao, reo taona niarahana sy tsiky nifanaovana,
ireo fotoana mamy, sy sento nitambolona nifamihinantsika
ny làlana niarahana no mampatsiahy ahy zay nilaozana;
niverina daholo tsy nisy iray nipika.
Nahatsiaro anao aho eto ampototry ny jiro sy ny tarany,
dia vontondranomaso, nigogogogo irery namerina ny l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/anay-i-gasikara | ANAY I GASIKARA | Elysé Azrael | Anay i Gasikara
Na ratsy io na tsara,
Fanananay irery
Tsy avelanay ho very
Nareo Frantsay
Nanjanaka anay,
Miomana amin'izay
F'hahita mahamay
Manan-jo ny Gasy,
mba hiana sy hilasy
Eo amin'ny tanindrazany
miaraka amin'ny havany,
Manan-jo hiaina,
Manan-doha hisaina,
Manan-jo hiaro
Tsy hohanihim-pahavalo
Mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malagasy-mifamono | MALAGASY MIFAMONO | Fredy Jaofera | MALAGASY MIFAMONO
Malagasy mifamono
no mitranga eto anio
fa tsy afaka manjono
ny vahoaka re, diniho.
Malagasy mifamono
feno tifitra aok'izany
fa tsy navela hitono
ny hena lafo hatrany.
Malagasy mifamono
kaikerim-pahantrana
fa mitaky ilay ronono
manainga fanovana.
Malagasy mifamono
ao anaty fahakiviana
mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edena-mna/faravelomanilay-renisifaka | Faraveloman’ilay RENISIFAKA | Edena Mna | Ho an’ilay malala
Resy izato havanao, tsy afaka hanoatra,
Te hiangavy sy hitraotra
kanefa,….. be ireo mpampahory,
Atody amim-bato, tsy afaka hiady akory
Zary lasa fiainanay ny mifindrafindra lasy,
Zary fahazaranay ny mandry fotsy sy ny mihafy
Ankehitriny anefa reraka, …, niezaka tokoa fa dia izay aloha no vita
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/kilalaon-jaza | KILALAON-JAZA | Ravo | Kilalaon-jaza
Tsaroako fahazaza
ilay mipetrapetraka
ao ambanin'ny sosety;
hitako ho tena tsara
sy feno ery`ny alokaloka:
tranokely tena mety.
na manaikitra ny moka,
angaha nisy nitsoaka
fa nampiana sangy aza.
Tsaroako ihany koa:
tanaty akondro no niery,
nilalao ankiafina;
na nifanosika aza moa,
ilay mifam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/ianao-lasa-tiako | Ianao lasa tiako | Rabarison Roberto Stephan | Ianao lasa tiako
Tsy aiko hazavaina
Mandravozavo ao an-tsaina
Hoe ianao dia lasa tiako
Mamiko , tsy foiko, ary tsy ho ariko
Makarary ny any anaty
Raha ny te amboraka tsy taty
Hoe : ianao ka lasa tiako loatra
Ka fiainana mamy no hirina hatrany an-kotra
Mahagaga fa ianao dia lasa tiako
Niaina fiainana hafa nanj... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/tokim-pitiavana | TOKIM-PITIAVANA | Kazary2006 | Ny alina mangina
Azavain'i'ny volana
Ny fo variana
Azavain'olon-tiana
Lanjam-pisainana
Ny fitiavana izany
Onjam-piainana
Ny sento sy ny tomany
Entiko mitraka
Ny herim-poko
Tsy atakaloko ny hafa
Ny malalan'ny foko
Izaho sy ianao
Dia mpifankatia
Raha mbola amin'izao
Tsy hanary anao aho satria ..
Manome he... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/fahanginako | FAHANGINANA | Kazary2006 | Manana vava
Nefa tsy tia miresaka
Io efa fahazarana fahazaza
Fa tsy hoe henatra
Toetra miavaka
Ho ahy ireny
Na aho aza mivavaka
Dia tsy mba miteny
Fandreseko
Ny tsy miresaka
Heveriko ho fahalemeko
Ny mimenimenina loatra
Hiavahako amin'ny hafa
Fihetsika tsy tandrin'olon-kafa
Nolovaiko tamin'ilay Nahary
To... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/ho-anao-rahavako | HO ANAO RAHAVAKO | Kazary2006 | Very ny heritreritra
Noho ilay fo mirehitra
Taminao ry zatovo
Satria ianao ilay rojo
Ilay tovovavy tsaroko
Irojonan'ilay foko
Ianao Anay no hery
Nitiako dia ianao irery
Tarehinao toy ny anjely
Noho ilay fanahinao malemy
Vonin-kazo mamiratra
Ianao no firavaka ho ahy
Mahatonga ahy mahiratra
Satria ianao ilay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tolona | Tolona | Nosy Malala | Tolona,
Efa ela niaritra ka tapa-kevitra ihany,
Hitaky ireo zo fototra latsaka ambany,
Hampanjaka ny rariny amin’ny Firenena,
Hamerina ny hasin’ny Fahaleovantena.
Namaky lay ary ireo tanora tena sahy,
Nijoro avokoa na vehivavy io na lehilahy,
Tao ny nahazo takaitra, namoy aina !
Fa nandroso hatrany noho ny he... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/aza-misisika | AZA MISISIKA | Np Augustin | " Aza misisika ny ho tiavin' olona...
Fa matoa izy manohitra sy efa mitolona ,
Dia leo izy izay : efa tsy manantena...
Ny fialana aminy no tena fahendrena. "
Na amin'ny fiana-pitiavana io na amin'ny fiaina-pirenena...
Dia aza midongy ho tiavina 'zany ,
Fa rehefa tsy tiana dia mialà any! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/ny-fanantenako | NY FANANTENAKO | Njakahery ANDRIAMALALA | NY FANANTENAKO
Efa hatrany anaty kibo,
No indro efa nijoro,
Eny na dia tsy tsaroako,
Ny fisiany tamin'izany
Na niezahana nalavo,
Eny nianjera tokoa,
Indraindray dia toa nalazo,
Niarina foana na voa
Nokasaina ho fongorina,
Dia nitondra izay tsy zaka,
Saingy tena tsara orina,
Teo foana fa tsy rava
Namely ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/resy | RESY | RAVINALA | Dia nidify indray ny tsikiko
Niraraka ny kintana
Ny masoandro vao niposaka, indro fa niletika
Ilay volana baliaka fongana tsy lera
Hazavana nantenaina notsemban'alahelo
Tsy nisy hafanana sy jiro mba hanilo
Niofo ny tontolo; nanjary haizi-kitroka
Tsy taza-maso intsony, nandositra nirifatra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/mbola-mintepo | MBOLA MINTEPO | Kazary2006 | Avy taiza ?
Ary ho aiza ?
Ianao ry tiana
Sa avy any amin'ny olon-tiana. ?
Kilema mo(a) ny tena ka tsy afa-mihetsika
Ny fitiavanao ahy efa ho rendrika
Avela irery ato an-trano
Eo mbola hitantarana angano
Mody manaiky ny tena
Fa ny tenanao efa haboridana eny an-tsena
Hanao ihany io rahavako
Fa mbola mintempo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hay | TSY HAY | Fredy Jaofera | TSY HAY
Tsy hay ny nampandeha
ny fiainam-pirenena
ka aza asiana rehareha
izay vita fa tangena.
Tsy hay ny nampandeha
ny takin'ny vahoaka
ka ankehitriny, maneke
fa loza no mipoaka.
Tsy hay ny nampandeha
itony jiro na ny rano
ka tsy mba afa-manome
ny ilaina fa angano.
Tsy hay ny nampandeha
ny zavatra rehetr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/angola-fenitra/firaisan-kina | FIRAISAN-KINA | Angola FENITRA | Na firy tahaka ny inona
ny habetsaky ny olona
miandrandrà fiovàna...
de ts'havita n'inona n'inona
raha tsy misy fahasahiana,
...ka hanery rà mafana
sy haneho firaisan-kina.
Hiroboka am-pitiavana
... vonona! Hitolona
ho an'ny tanindrazana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/hanadino | HANADINO | RAVINALA | Hiezaka ny hanadino anao aho
Hiezaka hamafa ny lalana nodiavina
Hanadino ny tantaram-pahatsiarovana sy ny lasatsika ireny
Hampiana-tena, hamindra samy irery.
Hamafa ny tomany sy ny ranomasoko rehetra
Hamadika ny pejy, hiova tarigetra
Dia himbanjina indray masoandro vaovao
Hanova ny famindra, hiaina tsisy anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/feo-volamena | FEO VOLAMENA | Kazary2006 | Miarahaba
Anareo izahay
Ry Neny sy Dada
Satria ianareo no nitaiza Anay
Fankasitrahana ho anareo ange
Satria ianareo no nitaiza nahabe
Fony mbola kely aho
Dia notezainareo
Ka tsy ho foana izao
Ireo fotoana nolaninareo
Nampianatra ahy
Niaro ary nitahy
Nahitana masoandro
Nikolokolo isanandro
Mendrika ho ajai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/tsisy-rano | TS'ISY RANO | Ravo | Nofiko halina iny
fa tsy afaka aho niaina,
sempotry ny etona
nateraky ny baomba
raha leo ny setro-piara manerana tanàna,
leo ny donan-tsetroka nandoroana ny ala;
fa ts'isy rano hono ka izay no ifamaliana
amin'ny tora-bato sy fitaovam-piadiana.
dia tsy afaka aho niaina
tamin'iny alina iny
ka satriko ianao hent... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-olona | MILA OLONA | Fredy Jaofera | MILA OLONA
Mitolona
hisy fitsaharana
ny jaly tsy hay fefena,
mila olona
nahita fianarana
ny mitondra firenena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/leo-2 | LEO | Fredy Jaofera | LEO
Leo delestazy
ny be sy ny maro
ka dia mitaky azy
ny hiala, fantaro !
Leo rano tapaka
tsy mety voavaha
ka grevy miavaka
nahabe raharaha.
Leo lainga lava
misosa tsy miato
ka ny toky no rava
raha be tora-bato.
Leo fahantrana
mikiky isan'andro
kendrena hialana
hiova ny hitandro. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsimalahy/fiheverana-ihany | FIHEVERANA IHANY | Kazary2006 | Mahita ahy ianao
Tsotra be toy izao
Dia mihevitra hoe
Io olona mahatra ange
Tsy maninona raha izany
Fa izaho olona ihany
Raha ny marina moa
Izaho tsy biby ihany koa
Tsy hafa raha izaho
Fa olona tahaka anao
Manana faniriana
Na dia be fahoriana
Ka aza manaratsy ahy
Re raha ianao
Fa ireo fo, fanahy
Ho enti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/elanelana | ELANELANA | Ravo | ELANELANA
toa hoe misarim-basy
ka notapahina ny peniny,
ary ireo ravin-taratasy
koa nodorana, ... tsy ho neniny.
fa ny poeta raha mijoro
tsy voatery ho an'ny soratra
fa ilay fanahy tsy tiana hikoro
zary havatsa sy koa holatra
no tena famantarana
ny hafatra ampitainy
mba ho fahasambarana
ho anao ry sombin'ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/any-aoriana-any | Any aoriana any, | Nosy Malala | Any aoriana any,
Zafikely :
Misy fanontaniana mba valio za dadabe,
Teto Madagasikara nisy tolona maro be,
Nandiso fanantenana sy namoizana aina.
Izay nahazo fahefana nanadino ny taraina?
An-taona maro hono ny vahoaka nijaly,
Maro ny nitrosa vao naha-voavidy vary,
Ny fidiranim-pianatra tsy tenenina intsony,
Mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/mirehitra | MIREHITRA | MAZ RAMANA | Mbola misy vain'afo ve mirehitra ao sa...
...efa ringana tanteraka ireo fo niady ho anao?
Iza sy iza avy moa no mpampita fahalàlàna…
...natahotra ny hiavian'izao andro ratsy izao?
Sa hisy hilaza indray hoe : efa ohatr'izao foana io...fa aza be filaza ianao?
Ny "mandra-pahoviana" efa tsisy fetra intsony...
Vera po... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ala/leo-nefa-dia-haninona | Leo nefa dia haninona ? | Ny Ala Zohimbato | Leo nefa dia haninona ?
Leo nefa dia haninona ?
Tsy misy hery ho entim-miady,
Ka na ho tapaka ary ny tady.
Isika ity toa faizina,
Mipetraka ao anaty haizina.
Leo nefa dia haninona ?
Mifanila amin’ny taolana sy hena,
Tsy afaka ny ekena.
Ny tanindrazam-pahagejana,
Fehezin’ny lalàna,
Ny mpitondra mampandry andr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-mdk/fiovana | Fiovana | Hary MDK | Raha ny fanaonao taloha
Toa niova sahady ankehitriny
Lasa nagatsiaka ve lay fitia
Aiza ary lay hoe ho doria
Malaindaina mamaly
Tsy ahitana teny mamy
Efa matsatso ve sanatria
Lay oroka mamy fahiny
Sa efa nifindra
Ilay hakanin'ny fitia
Sa ndry nanandrana
Nampizara fitia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ala/fo-nofo | Fo nofo | Ny Ala Zohimbato | Manja hoe ianao, sipa tsy azo atao n'inon'inona
Ny bandy izay mba tia, ataonao tsinotsinona
Ny bikanao miteny, ny fihetsikao midola
Saingy tsy miditra aminao raha tsy bandy manambola
Bogosy hoe ialahy, mandripaka vehivavy
Izay tratran’ialahy rehetra, toa mandraiky manavy
Ireo mba misy fo, sy miezaka ny hanova
Ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/te-ho-tiana | TE HO TIANA | AORN | Ny saiko nisisika te hahafantatra
Baikon'ito foko tsy mety mitony
mba te hanantena ny fonao ho santatra
ka tsy hierikerika an-kafa intsony
dia isaky ny alina tsy tafatory
manao sary an-tsaina mamihina anao
ny sento manempoka mamolivoly
fa tsy misy ininona azoko atao
Tsiriry am-parihy toa nilaozana tiana
lay fo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahasahia | MAHASAHIA | Fredy Jaofera | MAHASAHIA
Tsarovy ito fepetra
manilo manoloana
tsy hampivahotra :
ny zavatra rehetra
tadiavinao foana,
tsy ilana tahotra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-mdk/mampalaelo | Ry haniko | Hary MDK | Raha ny toedaharaha
toa mampanahy ihany
ny mety fizarazarana
ny mety fisaharam-bazana
Ady tsy misy fiafarany
ny mpitondraha toa lasa mihanihany
tsy mba misy fahamatorana
ny fahatrana no mikoka
Mikoka fandresena
fa afaka manjaka izy zao
fa ireo vahoaka no mampahonena
fa voafahana lainga lava
Izy ireo mba efa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-mdk/fisarahana-rad | Fisarahana | Hary MDK | Hisaraka dia ho aiza
Ireto zanakareo madinika
Zay moa ny hevitrareo
Efa tapaka sy voadinika
Manaiky tsy ho satry
Ireo zaza fa hisaradray sy reny
Mitomany,manjonitra
Fa hania hanirery
Ny sainy maminavina
Hoe ho aiza ny hiafarahana
Fa tapaka hatreo
Lay tetezana hiampitahana
Handeha aminy lalany avy
Ireo zaza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/nofy-mampangitaka | NOFY MAMPANGITAKA | AORN | Nofin-tsasak'alina
tanaty maizim-bolana
lay nahitako anao...
sarakorakom-bolo
fitafy rotidrotika
tarehy toa mangamangana
ny maso toa tomany...
dia hita miady saina
no sady maminany...
hoe lanitra sa tany ?
satria afara ao
dia voary mampatahotra
toa aloka manenjika
tsy ahitana endrika
no mifamahofaho...
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/mitsikia | Mitsikia | Rado | Tsiky toa masoandro vao maraina,
Mahatsara fo sy mamelona aina.
No indro fa atolotro anao,
Sy hoan'izao rehetra izao.
Manala alahelo sy fanaintainana,
Mampangatsiatsiaka ny fiainana
Mampitombo ny hafaliana anaty.
Mandresy ny fijaliana tsy tanty.
Tsiky kely mitondra hafanana,
Fanafody izay tena igagana
Mifindr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/dolaj-tena-namana | DOL'AJ tena namana | AORN | Ho fahatsiarovana an'i Dol'Aj, izay niaraha-niasa vao tsy ela
Nanavatsava lalina
T’amparahatoka any
Ireo asa soratrao
Miventy zava-maro…
Miantsa sy mianoka
ity fiainana mandalo
Ka na ny fasana aza
Lazaina fahavalo, dia
Tsy afaky ny hisitraka
Lay kantonao voakalo
Ny vatanao no lasa
Ekena tsy azo lavina
Atao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-ho-ela-dia-hip0aka | TSY HO ELA DIA HIPOAKA | AORN | Ho tonga ny ora farany
tsy ho ela dia hipoaka
fa toa tsy ho tana intsony
Ny alahelon'ny vahoaka
Vahoaka nampiafiana
an-taona maromaro
fa tsy noraharahiana
tsy nisy iray mba niaro
Vahoaka noporetina
sy tsy navela hiteny
no sahinareo refesina
natao nirenireny
Napahitana faisana
Am Jiro sy ny rano
Niaina ana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/hafa-fijery | Hafa fijery | Randja | Tsy vitsy ny zavatra efa hita
toa ny fijeriko anao no miavaka
maro be ny fitiavana efa tafita
fa ianao no hiriako ho firavaka
Ny tarehy sy ny bika ve no nambabo ahy ?
sa ny tenako mihintsy no efa mamo
toa misy anao hatramin'ny fo, fanahy
mila anao foana fa mba tazano
Ny masoko ve no mandroro sa ny fijeriko anao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manokatra | MANOKATRA | Fredy Jaofera | MANOKATRA
Ny vavaka no varavarana
manokatra hazavana
tsy manam-pitsaharana
tomefy fahagagana.
Ny vavaka no varavarana
manokatra hafaliana
manova ho fandaharana
izay tena faniriana.
Ny vavaka no varavarana
manokatra hamaraina
mitondra fahasambarana
tsy mba hay lazaina.
Ny vavaka no varavarana
manokatra haz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-mdk/alahelo | Alahelo | Hary MDK | Malaelo mitoloko ilay sakaizanao
izy tsy nitsahatra nikatsaka ny hahasoa anao
nefa fitaka bevava no mba takalony
nampirafy ianao nataonao tsinotsinona ilay fitiavany
Zao ny mby ao antsaina dia handao ny tany
fa lay mba nantenaina namitak'azy ankitsirano
lay noheveriny fa antompivelomany
no nanao fanamelohana ho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-foronina | MILA FORONINA | Fredy Jaofera | MILA FORONINA
Ny tory no hironga
ho fahavoazana
rehefa tsy donina :
tsy avy dia tonga
ny fahombiazana
fa mila foronina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rmlydia/mandehana | MANDEHANA | RMLYDIA | MANDEHANA!!!
Tiana hono ny zaza
Fa rehefa manaiki-nono ahifika ihany
Dia tadidio fa toy izany koa ianao
Na dia tiako aza , ny fitiavako tsy kilalao
Raha noana hono ny kibo
Mivezivezy ny fanahy
Fa raha olona iray no tsy tia
Eny , tsy atao ankahia
Fa na dia ny vodin-tsobika aza
Dia mba manana ny tandrifiny
Koa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manamboara | MANAMBOARA | Fredy Jaofera | MANAMBOARA
Tsy hevi-bao
no amatorana
hampiaina ny tafa :
raha tsy tianao
ny lalan-kizorana,
manamboara hafa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ry-jesoa-mora-fo | RY JESOA MORA FO | AORN | Ry Jesoa mora fo
Mangataka aminao
Miangavy mitalaho
Tsy ho tsarovanao
zao otako eto izao
Ny saiko mahalala
Ny foko te hiala
zao adalako izao
mba ho diovinao
Sikino hery indray
mba tena hifandray
Ny foko sy ny anao
dia olom-baovao
Ity mpanomponao
Henoy ry Jesoa tia
Ty feoko malia
Tantano ho tody koa
am... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/eny-na-mafy-ary-ny-lal%C3%A0ko | Eny na mafy ary ny lalàko | RODER | Eny na mafy ary ny lalàko
Eny, na mafy ary ny lalàko,
Tsy hiala amin’ny finoana aho.
Ny Tompo no hery sy tanjako,
Izay no fanantenana mitondra soa.
Rivotra sy tafio-drivotra tonga,
Mety hampikorontana ny fo.
Kanefa tsy hihena ny fitiavana,
Fa Jesoa no miaro ahy tokoa.
Eny, na mafy ary ny lalàko,
Hanohy hatran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ala/ny-maha-gasy-ahy | Ny maha gasy ahy | Ny Ala Zohimbato | Ny maha Gasy ahy
Tsy ny rehareha ivelany
Na ny bika amam-pitafy
No maha-Malagasy
Tsy ireo teny izay miserana
Ao am-pototsofinao sariaka
No maha-Gasy antsika
Tsy ny sekoseko an-dalana
Amin’ireo fomba amin’izao
No maha-Gasy anao
Fa ao ny tenin-dReninao
Ny fomba amam-panao
Tsy afaka handao
Fa maha-Gasy anao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ala/izao-aho-vao-tonga-saina | Izao aho vao tonga saina | Ny Ala Zohimbato | Izao aho vao tonga saina,
Fa izaho ilay mihezana hisokatra amin'ny hafatro,
Ilay izaho mitraka, na andro io na volana,
Ilay izaho mitantara ireo kely izay mba takatro,
No tsy zakan-dry zareo ka mahatonga fialonana.
Ny ivelany toa mitsiky, mody mandonkadonka,
Hoe tohizo io fa tsara, ny fahantrana anie ho ringana,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/aleoko-ihany | ALEOKO IHANY | AORN | Aleoko ihany tsisy anao
fa tsy zakako lay miaritra
fijaliana lava izao
Aleoko ihany tsisy tiana
fa raha filafila lava
dia hanjary fahoriana
Aleoko ihany tokan-tena
mba tsy hisaina ny aminao
ka hangaina sy onena
Aleoko ihany koa irery
fa tsy misy fihiny avy
raha fitia atao an-tery |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tolokon-dray | TOLOKON-DRAY | AORN | Zanako a!
Ialako tsiny indrindra
raha nampitondra anao
zao fahoriana izao
Izaho tsy sanatria
Hanao fanahy iniana
fa misy rafi-piainana
mangidy fa hiafiana
mba tiako ho tsapanao
Ny tanimbarintsika
voatery nototofana
f'izay no teny midina
tsy azo notoherina
na koa nifanarahana
fa didim-panjakana hoe
mivadi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/fady | Fady | tsiolaka | Aza araraotinao ny fony nahatoky
Ny tody anie ka misy hamerina ny ankaso,
voaratranao ka ketraka ny sainy voasoloky
dia tomany anao mangina ,mioza ranomaso
Aza araraotinao hanaovana hevi-petsy
ny fahatsoram-pony nosetraina hevi-dratsy
fa izy anio milofika ,voafinganao ka resy
mahatsiaro latsa-nenina fa diso fiat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/misy-olona-any-ho-any | MISY OLONA ANY HO ANY | AORN | Misy olona any ho any, manara-maso anao hatrany
Misy olona any ho any, tsy te hahita anao tomany
Misy olona any ho any, miaro anao fa tsy miseho
Misy olona any ho any, manampy hatrany fa tsy leo
Misy olona any ho any, mitondra am-bavaka eny foana
Misy olona any ho any, mamono andro sy fotoana
Misy olona any ho an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-andro-dia-lava | NY ANDRO DIA LAVA | Fredy Jaofera | NY ANDRO DIA LAVA
Ny andro dia lava
rehefa tsy mihaona
ka tsy mba misava
ny alahelo mitaona.
Ny andro dia lava
mandra-pahatonga
ka mitily lalandava
sy tsy be somonga.
Ny andro dia lava,
na tapak'andro kely
ka oriory re ny tava
fa hanina mamely.
Ny andro dia lava
fa mafy ny fitiavana
indro manavatsava
ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/taminireny | Tamin'ireny | tsiolaka | tamin'ireny aho mbola very raika
tsy nahatsiaro izay oran-ko ho avy
ka na dia nigoka ny ngidy mafaitra
dia vao kinopaka dia indro fa avy
tamin'ireny aho tena mbola niliaka
tsy nahatsiaro masoandro nihilana
voasodokan'ny tarehy amam-bika
ka solafaka tam-pandronjinana
tamin'ireny mbola adala sy kentrina
norendr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/vaka | Vaka | tsiolaka | Vaka indray ny saiko
fa hisokatra rahampitso Ilay fasandrazanay,
Nandevenana ny raiko
dimy volana izay!
Dimy volana tokoa
Ilay izy niefonefona ,tan-tratrako no niankina,
efa tsy naharin-doha
Niady faramparany amin'aina mihatankina.
Dimy volana sahady
Ilay namafako ranomaso tamin'ny tavany havia.
Sy mibitsibit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/ny-heriko-dia-ny-tompo-irery | Ny heriko dia ny Tompo irery | RODER | Ny heriko dia ny Tompo irery
Ny heriko dia ny Tompo irery,
Izy no fiarovana tsy mety ho very.
Na inona na inona hamehana sy zava-tsarotra,
Ny tanany no mitantana, tsy mba mandao.
Ny heriko dia ny Tompo irery,
Fa tsy ny harena, tsy ny voninahitra ireny.
Fa Izy no loharano tsy mety ritra,
Mamelona ahy amin’ny her... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hisinda-vetivety | HISINDA VETIVETY | AORN | Ho anareo malalako
zay tena tiako indrindra
ty hafatro eto ity
Naleoko aloha nisitaka
mba hakahaka saina
satria ty onjam-piainana
maningotra ny aina...
raha toa ka tezitra aho
dia aza omena tsiny
indraindray mirediredy
tsy tena toetrako iny
fa misy fo marary
manindrona tsy tohana
mandraiky mankanavy
Na me... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hiara-dia-mandrakizay | HIARA-DIA MANDRAKIZAY | AORN | Eny akia malala a,
tsy miafina amintsika
fa mbola lavitr'ezaka lay "andro mibaliaka"...
dia izao koa no tsarovy...
aza atao mahasakana izay fomba tsy mitovy...
Ny fomba nitaizana
samy tsisy diso fa alaina an-kamorana...
Ny toerana niaviana:
samy manan-danja ho an'ireo fianakaviana...
Ny lalana nodiavina
mety ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asaphs-mahane/taona-vaovao-fiainana-vaovao | Taona vaovao, fiainana vaovao | Asaph's Mahane | Nandalovana ny dia, na ratsy na tsara
Nandeha ny fotoana nandrakitra tantara
Nisy hantsana, lohasaha sy havoana
Nisy hafaliana sy tebiteby foana.
Teo ny andro somambisamby
Teo ny maraina mahafinaritra
Fa izao no tsaroana ao am-po
Nisy hery nanetsika, nanaitra ahy hifoha.
Taona vaovao indray no hisokatra
Toeran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fiaran-drasanjy | FIARAN-DRASANJY | AORN | Vao mangiran-dratsy dia io miraondraona 'lay fiaran-dRasanjy
Hitondra Mpivaro-mandeha ho eny an-tsena zay dodona miandry
fa io no mba fiara mpitatitra tokana avy ao an-tanàna
Ka ifanotofan'ireo zay te hiakatra tsisy raràna
Dia indro mampiditra ireto mpandeha zay namonjy laharana
'reo enta-mavesatra akarina ambony ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/zana-javatra | ZANA-JAVATRA | AORN | Ny endrikao dia raitra
Ny tsikinao manaitra
lay vatanao tomady
Mambabo fo sahady
Jereko ny eto aloha
toa ravaka sy soa
tombanana ato afara
lalovanao dia tara
dinihina mirirana
toa tsara manahirana
fa kanto koa raha kanto
nampianao feo milanto
raha hohariko amin'ny hazo
D'ianao lay voninkazo
Mamoaka zava-m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarisoa-faraniaina/nahoana-ary-no-tsy-ianao | Nahoana ary no tsy ianao | Miarisoa Faraniaina | Nahoana ary no tsy ianao ilay mpanonona fitia rehefa anaty fasambarana
Nahoana ary no tsy ianao ilay ravaka vantaniko rehefa mbÿ ambaravarana
Nahoana ary no tsy ianao ilay hany omeko anarana antsoina hoe andefimandry
Nahoana ary no tsy ianao ilay mpanoroka ny molotro sy mpiondana ny sandry
Nahoana ary no tsy ianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/tsiaro | TSIARO | DADAFARAtolotra | Malala a ! mandram-pa oviana
Vao ho sitrana tateraka ilay nam-paharariana
Isika tsy mba niady akory
Fa samy nanakipy maso dia amin'izay mba resin-tory
Malala a ! jambajamba fahasambarana
Karazan'embona sy hanina no injao mpanaingo varavarana
Raovina ianao vao hitako ?
Fa ny manadino atreto tena mbola tsy ho vita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/mpankafy-anao | "MPANKAFY ANAO" | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | Mpankafy anao aho raha eny an-tsehatra eny,
Fa poeta kosa raha any anaty nofy,
Mpisolo vava anao raha any anaty teny,
Fanafody kosany raha toa ianao Farofy.
Zavona Rakoto aogositra 2025.1 |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/hain-teny | "HAIN-TENY" | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | Lehilahy: Tiako ianao!
Vehivavy: Fa ianao tsy tiako!
Lehilahy: Tiako ianao mihoatra ny tenako.
Vehivavy: Ny tia mahay manaporofo!
Lehilahy: Takariko ho anao ny volana.
Vehivavy: fa tsy mamiko noho ny tantely,
Lehilahy: Kely kizintina loatra ireny ka manao saro-po manan'anaka.
Vehivavy: Tsy ho azonao aho raha iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/ry-voro-mandalo | Ry voro-mandalo | tsiolaka | Ry voro-mandalo miserana irony
'ndeha ho aiza no rifatra,dodona mafy
ivilio ilay malala tsy mahatsiaro intsony
f'lay tokany aty tsy mahay mampirafy
Meteza hafarako kely retsiana
Lazao fa ny tia hoe ka manina foana
Ilay fitiavana anie ka tsy mety mangina
fa efa nivoady ny ho antaranoana
Tsory aminy fa raha 'zany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ataoko-angamba-aloha | ATAOKO "ANGAMBA" ALOHA | AORN | angamba tsy tsikariny
lay zaho nandinika azy
fa tsy nasiana sira
na hoe mba topi-maso
fa olon-kafa indray
nataony tsara jery
ka ny hany fiononako
nipitrapitra irery
Angamba tsy mba tsinjony
izaho nanaka-dresaka
sy mody nanontany
lay toerana eo anilany
kanefa tsisy valiny
ka sina teo ny foko
nangasihasy ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/raha-tia-ianao | Raha tia ianao | RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste | Raha mamindra fitiavana, avelao hihafy;
Tsy mila fiteny, aoka fotsiny ho tafalafy.
Tehirizo ao anaty, ny teny mamy;
Sao dia vaky sakana, very an-kamamy.
Fa nahoana no tsy mangina tsotra izao;
Mety hanjavona ny lanja, ho very ny hasinao.
Im-piry moa no mitondra onja ny ranomasinao;
Nefa tsy miova, mbola miverina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilalatahiana-tojosoa-sarah/fenoy | Fenoy | HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah | Fenoy
Fenoy ny tsikitsikintsika ny lafin-drindrin’efitrao,
Fenoy ny nofinofintsika ny alina tontolonao,
Voleo ny voninkazontsika ny ila tokonanao,
Fafazo ny fitiavantsika ny lalana falehanao,
Fenoy ny tatarantsika ny diary kelinao,
Ampitahory ny herintsika izay mandrebireby anao
Dia ovay hoe"isika" izay rehetra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/azonao0 | Azonao | tsiolaka | Azonao rombahina izay rehetra am-pelatanako
dia azonao fongorina izay kely mba hananako
fa izaho tsy hiteny izany, sanatriaviko ny hamaly
tsy hanandra-tonombavaka aho na hiantso tody izany.
Azonao lotoina amin'ny resa-tsy manjary
ataovy ambetindresaka,omeo teny maharary
fa hangina aho tsy hiteny,toa ireny moana i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andro-tsotra-ihany | ANDRO TSOTRA IHANY | Fredy Jaofera | ANDRO TSOTRA IHANY
Andro tsotra ihany
toy ny andro rehetra
no manery hankany
fa oriory sy mitsetra.
Andro tsotra ihany
tsy dia miavaka eto
fa feno sento izany
ny tontolo ka raketo.
Andro tsotra izany
maro asa sahanina
misy sioka ambany
vao mba valalanina.
Andro tsotra ihany
satry hivoy fitiavana
tsy misy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/ny-alahelo | Ny alahelo | RODER | Ny Alahelo
Ny alahelo, toy ny aloka manaraka,
Mangina izy, nefa mahery paika.
Miditra mangina ao am-po sy ao an-tsaina,
Mitsiky ivelany, nefa mitomany ao anatina.
Toy ny ranonorana mianjera amin’ny hariva,
Manembona, mandalo, ka tsy voavily akory.
Mitondra fahanginana sy taratra fery taloha,
Mamelona fahatsiaro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/fo-mitempo | Fo mitempo | Nosy Malala | Fo mitempo,
Na ampiana aza moa,
Hanana ny ho avy soa,
Zaza tsy afaka manoatra,
Na maniry mba hivoatra.
Sakafo moa tsy zarizary,
Vatana marofy sy marary,
Ny tabatabandray sy reny,
No hira heno ombieny ombieny.
Rehefa any ampianarana,
Lavitra ny hoe havanana,
Latsa indray no mba re,
Avy amin’ny mpanabe.
Fiai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/ny-hendry | Ny hendry | RODER | Ny Hendry
Ny hendry tsy miteny be,
Fa mamindra teny voalanjalanja,
Tsy mifaninana amin’ny avo feo,
Fa mandanjalanja sy tsy miasa saina loatra.
Ny hendry tsy mirehareha,
Na manan-tsaina, na be traikefa,
Fa mionona amin’ny fahanginana,
Ary mananatra amin’ny fitiavana.
Ny hendry mahay mihaino,
Tsy mitsara, fa ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fo-adala-tsy-misaina | FO ADALA TSY MISAINA | AORN | Tsy haiko loatra izay mahazo ity fo adaladalako
sahy mitempo mangingiana ka mandray anao "malalako"
Nefa anie ka hita izao fa ianao dia misy tompony
fa dia ataony fanahy iniana sady koa miseho sarotiny
Nosazian'ny saiko ihany tsy hibitaka sy hitroatra
nefa tena mafy loha sy maditra tafahoatra
Izy hono rehefa tia,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rj-myrai/misaotra-nisy | Misaotra nisy | RJ Myrai | Misaotra nisy
Maraina aho vao mifoha
Dia io ianao manoroka ahy
Miramirana ny avokoa
Ny saina ,fo, fanahy
Efa vita homana ao
Ny sakafoko enti-miasa
Indro aho areninao
Mba hisolo sy hisasa
Ny ariva indray raha taratara
Fa tratra fitohanana
Dia efa io ianao malala
Mitsidika eo andavarangana
Mantsy ianao mitai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rj-myrai/tsiky-iray | Tsiky iray | RJ Myrai | Tsiky iray
Tsiky indray miserana
No hangatahiko aminao
Dia efa ampy hiantrehana
Izao adin-tsaiko zao
Tsiky indray mandalo
No hiriako ny endrikao
Dia efa antony hatsapako
Fa ; manohana ahy ianao
Tsiky tokana mihanta
Miampy maso iray mipika
Dia fotsiny midika
Mafy orina ny antsika |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kens-andrianjafy/roa | …roa… | Kens Andrianjafy | Ho anareo roa no nanoratako ity
tsara tena kanto ny mifankatia
mifankatiava hatrany mifandefera koa
ka izay kinasa ho tanteraka, ho to
Fa andro tena tokana iray amin’ny taona
indrindra hoan’izay afaka mihaona
ny lavitra kosa, miantsoa dia mba mihafy
tsy handeha ery sy eroa, ilaozana mampirafy
Mahaiza mankafy na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/d%C3%A9j%C3%A0-hjn/zonolombelona | ZON'OLOMBELONA | Déjà HJN | Ry vahoaka ambany lanitra.
Mifanararaotra antsokosoko !
Koa iza no haharitra,
an’izay atao mba hampandroso ?
Na inona na inona no asanao.
Izay mampidola anao lava izao !
Fa izao no aoka ho fantatrao !
Malagasy ihany izaho sy ianao.
Malagasy aho,
Malagasy ianao,
Malagasy ray sy reny.
Mbola malagasy ny fiteny.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rj-myrai/i-dada | i Dada | RJ Myrai | Etsy sombin’ny aiko an !
Atsaharo ny tomany
Avy an-tratrako eto
Homeko tambitamby
Etsy sombin’ny aiko
Avy ka matoria
Aoka izay ny sentosento
Dia Mangina ,matokia
Etsy sombin’ny aiko
Aza manana ahiahy
Tsy handao anao ny foko
Hikolo anao ,hiahy
Etsy sombin’aiko
Fa ny Andro maizim-pito
Etsy ho safoiko
Hisai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-faranny-herinandro | NY FARAN'NY HERINANDRO | AORN | Ny faran'ny herinandro raha toa ka sitrakao
Dia hatokano kely ho an'ny zanakao
Izaho mahay mandefitra, tsy hisisika aminao
satria natositosika, soloina vady vao
Fa ireo ankizy ireo, mba te hahita anao
Ka farafaharatsiny tsy atao ankilabao
Tsy fidiny azy ireo, lay fandehananao
Nisitaka ny akany, fa mbola hilalao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/hafaliana | HAFALIANA | RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste | Toy ny masoandro mibaliaka,
Mitondra hafanana tsy ritra.
Ao am-po mibanjina lalina,
Misy fitiavana, misy fahasambarana.
Ny rivotra mitsoka malefaka,
Mitondra tsiky ho any lavitra.
Ny fo manonja toa hira,
Mamitaka ny alahelo sy fahoriana.
Hafaliana mivelatra tsy mety ritra,
Manazava lalana sy lalim-pitsikitra.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/d%C3%A9j%C3%A0-hjn/rehefa-tie | REHEFA TIA | Déjà HJN | Rehefa tia ianao dia tiavo fotsiny ihany ;
Fa aza mieritreritra hilaza izany akory ;
Tehirizo ao naty ilay eritreri- mamy ;
Sao vaky fefiloha ‘ty sisin’ny kamory ;
Nahoana raha mangina fotsiny amin’izao ;
Sao ny sarobidy no ho tonga very hasina ;
Hiverina im-piry moa ny sotrokelinao ;
Vao mety haharitra izato ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-marina | NY MARINA | AORN | Misy marina efa fantatra fa ezahana ampanginina
Misy marina tenenina, fa niniana ho disoina
Misy marina mitoetra, tsy zaraina fa fihinina
Misy marina miseho, fa hahetry sy lotoina
fa raha tena hiseho ny marina, maromaro no hisitrika
Fa raha tena hiseho ny marina, sesehena ireo voapanga
Fa raha tena hiseho ny mari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tiako-foana-ianao-ry-zanako | TIAKO FOANA IANAO RY ZANAKO | AORN | tiako foana ianao ry zanako
hany tokana fananako
aina sarobidy ho ahy
saina, vatana, fanahy
na inona mahazo anao
dia fantaro fa izaho
no maratra am-po anaty
ka ny saina tsy hahatanty
ny hoe hijery anao mijaly
fa satry hahita anao hifaly
dia aza dia omena tsiny
'ty Neny sy ny faniriany
Tiako foana ianao ry z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/lazao-azy-hoe | LAZAO AZY HOE:.... | AORN | Soa ianao fa hitako dia araraotiko ihany
Hitondra ireto hafatra mba ho entinao mankany
Lazao azy hoe: fa inona no ratsy vitako azy?
no avy dia manjavona sa kosa manasazy
Lazao azy hoe: nahoana ianao no tsy mandalo intsony?
Sa efa olon-kafa no mahasarika ny fony
Lazao azy hoe: tsy izaho no tsy mamela an’azy hitia
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/fahendrena-sy-valifaty | FAHENDRENA SY VALIFATY | RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste | Fahambaniana ny valifaty, ka aza valiana,
Na ao anaty, na ivelany tsy hitarika ho faty.
Fakam-panahy tsy mety lo, tsy mba mitahy
Ny otripo manafintohina, tsy manome fahafahana.
Fahakelezana ara-tsaina, fahaverezana
Tsy ilaina, mitondra alahelo sy fanaintainana.
Fanakotakonana hazavana tsy iombonana, ka ialana,
E... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/lay-tokako-iny-tompo | 'LAY TOKAKO INY TOMPO | AORN | ‘Lay tokako iny Tompo,
Hombao ny fitahiana
Fa mbola tsy hay visaina
Ny lalam-paniriana
Dia atoroy ny làlana
Zay mety sy sahaza
Na efa ampy taona
Dia mbola tena zaza
‘Lay Tokako iny Tompo
Tolory fahendrena
Raha sendra izay safidy
Dia mbola mihenahena
Tsy mbola tena fantany
Zay mety mahasoa
F’izay mirentir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ianao-efa-ho-adino | IANAO EFA HO ADINO | AORN | Malala,
tsy haiko raha mbola fitiavana
no ilazana ny ifandraisantsika
sa ahoana lay tiana ahatongavana
fa ianao toa manao tsy hitahita
Milaza fa rempotra foana
no sady tsy mandray antso
efa mila hampiteny ny moana
ny fitadiavana anao tsy an-kiato
fa mahavalalanina anefa
jerena ao anaty fb
ty ianao dia mazo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ry-mpitondra-fivavahana | RY MPITONDRA FIVAVAHANA | AORN | Ry mpitondra fivavahana,
mba voahay lay varavarana
moa hanosi-bohon-tanana
reo vahoaka izay tsy manana?
Ry Mpitondra fivavahana
foana ve lay fanavahana
ka tsy misy hialangalana
fa mitovy filaharana?
Ry Mpitondra fivavahana
misy ve lay fampivoarana
ndrao reo vola tolo-tanana
lasana nivily lalana?
Ry Mpitondr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/tsiaro | TSIARO | Njakahery ANDRIAMALALA | TSIARO,
Niserana ao an-tsaina segondra vitsy monja,
Ny rakitrin'ny omaly sy ilay fiainana nanonja,
Tsy hita izay hambara fa toa nofinofy ihany,
Ireo izay nampitsiky, sy ireo nampitomany.
Velona ny sento raha nanjohy ireo fahiny,
Nitanisa ireo ratra, fahoriana hakiviana tamin'iny lalana iny,
Tsy hadino kosa anef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/aiza-ny-biraonao | Aiza ny biraonao | RODER | Aiza ny biraonao?
Aiza ny biraonao, ry sakaiza tia,
Toerana iasanao isan’andro sy hariva.
Misy latabatra sy taratasy mitanjozotra,
Sa feno boky sy penina maromaro mitroka?
Ao ve ny eritreritrao misandratra avo,
Mikatsaka vahaolana tsy mitsahatra miasa?
Sa toerana mangina hifampiresahana,
Amin’ny asa sy nofy efa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/tsy-manitra | tsy manitra | tsiolaka | Noviningitra ny akalankely voajary
Miaty sori-panorona fanorontsivy
kinaika ny hasin'Andriananahary
andaha-milatro ny vatontsikidy
vinela-tsanjasanja ny tsihy lavorary
tsinentsina ny iriky ny lavak'hidy
dia injao vaky lela ireo mpanazary:
"tsy manitra ozy fa asara mangidy"
foha!
misy fandrava laka mandiso fite... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.