url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/ataotaovy | Atataovy ... | Dox | Atataovy aho ,rey olona ,fa mavesatra ny anjarako
E!Malama anie 'ty lalako ka tsisy amaharako
Kotsan'ny fitiavana aho,kotsakotsa mahonena
Ho dify ihany ilay malala, toa dia vatranao jerena
Atataovy aho ,rey olona, sao dia raraka tsy fidiny
ny fitia nisahiranako,ka dia hahitako ngidiny
Ny felan'ny tatamo ve hahato... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/serasera-1 | Serasera | Mampikanto | SERASERA
Soa fa nisy serasera, ahafahana mampita
Ny fiainana, ny faniriana, eny hatramin’ny tsy hita
Io no hany mahalala izay fihetseham-poko
Na ny tsiky n any faly na koa ny toloko
Soa fa nisy serasera nahafahako nahatsapa
Fa ny fitia mora maty raha tsy mbola lalim-paka
Fiezahana nitia, nakafy irony hafatra
Ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tany/lasa-teo-ny-saiko | Lasa teo ny saiko. | Ny Tany | Dia lasa teo ny saiko
Nirenireny teny,
lasa izy toa tsy haiko
Ho aiza ré é !,hiantefa any aminao
r'ilay mila hanafaka ny aiko!
Dia lasa ihany izy
Lasa foana,
Hanakatra ny lanitra
Nitady sy nikaroka... ilay Andriamanitra!
Aiza re ianao! , fa orin'ny fitia izato izaho !
Ny fitia !!! ?, sss..
Hitraka aho é,
H... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajaonarison-jean-edouard/soava-dia-2 | Soava dia | Rajaonarison Jean Edouard | Soava dia ry Sombiniaina
Hanohy fianarana any am-pita.
Milofosa, aza malaina.
Tsofin-drano ho tafita.
Mifankatiava, mahereza.
Hisy fakam-panahy sy adin-tsaina.
Firaisam-po no mampateza,
Vaha olana ilaina.
Hifanalavitra, eny, isika;
Hisy ny embona sy ny hanina.
Ny masoandro mibaliaka.
Dinihina ary koa tazanin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jamesdean/fitiavana-6 | Fitiavana | Jamesdean | Fitiavana no ambara
Ho anao r'ilay Malala
Fa ny foko dia mitepo
Nefa koa toa feno sento
Misento malahelo
Toa manjary lasa helo
Mitomany mangingina
Sanatria tsy fanahy iniana
Fa tena tia ka babo
Tena babo ka tia
Tia anao tsy misy fetra
Ka lasa adino ny rehetra
Toa mahatsiaro anao hatrany
Na hafaliana na tom... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/meteza-ianao | Meteza ianao | Tsiky dia ampy | Meteza ho tantanako
Ry fo mbola marefo
Ka hery avy ato anatiko
No ataovy fiantehitra
Eto amiko no atero
Ny tomany sy torovoka.
Izaho no iantehero
Fa tsy mba hazo boboka.
Raha sendra adintsaina
Tebiteby izay mafonja
Ny samboko ampiasaina
Hitetezana onja
Kotroka sy varatra
Rivotra, tadio?
Aza taitra akory
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jamesdean/lalatiana | Lalatiana | Jamesdean | Raha fitiavana no ambara
Maro be ireo tantara
Efa heno sy voajery
Ary tsy mba nankahery
Nefa kosa ankehitriny
Lasa izaho no toa asiany
Tsy hay anefa ny ao afara
Hoe hanahoana ny tantara
Fa ny Tompo be fitia
No ianteherana, iankihinana
Fa hitondra antsika arý
Am-paradisan'ny fitia
Ka izao no tiako ambara
Ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/fanimpitony | Fanimpitony | Tsiky dia ampy | Andriamanitra ô, angamba
Raha toa ka tontaliana
Dia fanimpitony amin'ny vavaka
Nataoko ho azy izao.
Vavaka nasandratro
Tsy hitiavany ahy intsony.
Kanefa fanimpitony
Tsy nahitako valinteny
Avy Taminao mazava
Satria fanimpiton'
Ny nahalatsahako tanaty
Fahotana mahafaty
Sady fanimpiton'ny
Efa nahatsapàko
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajaonarison-jean-edouard/embona-sy-hanina | Embona sy hanina | Rajaonarison Jean Edouard | Lasalasa ny vinany
Mieritreritra anareo.
Jerena ny elanelan-tany
Dia tankina, tsy mahaloa-peo.
Any izay i Hanitra sy i Hoby;
Ny fiainany any, manao ahoana?
Tsy hita, lavitra ny toby.
Mba misy mamy, sa dia foana?
Embona, hanina mazàna
No mameno fo sy saina.
Mitobaka, eny, fa tsy tana,
Fa mahatsiaro Sombinaina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivo-ramisarimanana/iza-1 | Iza ??? | ranaivo ramisarimanana | Torovana ny fo ,
voatraika koa ny saina
fa aloka no sisa
no hany mba ho tantaraina.
Dia ... aiza indray aho izao no mba hirehareha ?!
Eny e, ekeko fa mbola be dia be
Kanefa kosa anie, jereo anie ery e!
Izy no avo indrindra
Ilay lova tsy mifindra
ka nefa dia naetry
natao ambany indrindra.
Eny e, diso aho satr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/io-no-aoka-ho-ahy | Io no aoka ho ahy | Lanto | Ilay tsikitsikinao
Fandraisana vahiny
Fa mahalala fomba,
Aza omena ahy.
Na 'lay ankiray
Tsiky notefena
Satria ny ao am-po
Ory sy onena
Aoka ! Tsy manahy.
Ilay tsikinao amidy
Tsikitsikim-pifandraisana.
Sy feno hakingana
Tsiky toa mandidy
Natao tsy ho azo lavina
Tsikin'adi-varotra
Aoka koa fa sarotra
Alai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arcane/ny-fitia | Ny fitia | arcane | Ny fitia
Ny Fitia ? famaritana tsy voafandrika an-tsary
An'eritreritra satria tsy natao ho fantatra
Norefesiko tamin'ny filahatry ny kintana ary
Nantsoiko hoe vintana, nanjary ankamantatra
Ho an'ireo olon-drery sy ireo olom-dresy mitady
Hatrany tara-pahazavana toa efa fantany sahady
Fa tsy natao ho azy : fefena,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajaonarison-jean-edouard/ny-fiainana | Ny fiainana | Rajaonarison Jean Edouard | Ny zava boary eny an-tsaha,
Ny vorona an-tampo-tanety,
Toa fiainana tsisy mpiahy,
Jerena mirindra sy mety.
Tsy misy lalàna mifehy,
Na fitsipika, sanda hajaina,
Samy miady dia samy hajaina,
Manao'zay hitsimbinana ny aina.
Fa inona ny fizaran-taona,
Ny hatsiaka ary koa ny hafanana,
Ny habaka sy ny fotoana?
Ire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/avelao-2 | Avelao | Tsiky dia ampy | Avelao izy ho tiako
Fa izay no faniriako
Niaretako ny jaly
sy ny henjiky ny hafa.
Avelao mba holalaiko
Fa tsy mety ny ato antsaiko
Te handray ny endri-piainany
hiombom-po hiombon-tafa.
Avelao izy ho ahy
Fa ny foko izao manahy
Toa tsy afaka intsony
Mbola hanalavitra azy
Avelao mba hokoloiko
Fa tsy mety ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/tia-2 | Tia | Mampikanto | « TIA »
Teny sarotra lazaina
Ny hoe « Tia »
Ary toa manimba saina
Indraindray ny mitia…
Saingy Tsy maintsy hoe mitia
Io fitiavana io mazana
Mampandefitra eritreritra tsy tana
Mahalasa ny vinany …satria tia!
Io fitiavana io anie
Raha tena alalinina
Toa zary hevi-dehibe
Ka mahatonga anao ho tia
Raha hitia an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajaonarison-jean-edouard/trondro-kely | Trondro kely | Rajaonarison Jean Edouard | Nisy trondro kely anankiroa.
Ny iray efa lehibebe tokoa,
Ny iray mbola kely,
Bitika toy ny angely.
Dia lasa izy roa nifanaraka
Tao anaty kamory malalaka.
Dia hoy ilay trondro vaventy
Tamin'ilay trondro kambity:
Tandremo, tandremo ry i Hoby,
Misy toetra tsy mba mahomby,
Dia ny fandrika ataon'ny olombelona:
Ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sipagasy/ny-fitiavana-2 | Ny fitiavana | sipagasy | Ny mahasembana indrindra: Ny tahotra
Ny andro tsara indrindra: Ny anio
Ny zavatra mora indrindra: Manao fahadisoana
Ny fahadisoana lehibe indrindra: Ny milavo lefona
Ny kilema lehibe indrindra: Ny fitiavan-tena
Ny fialam-boly lehibe indrindra: Ny asa
Ny fahavoazana ratsy indrindra: Ny famoizam-po
Ny mpampianatra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanty/tsy-foiko | Tsy foiko | Kanty | Te hilaza fotsiny aho hoe : „mamiko“
Tena mamiko ianao ry silan’ny fanahiko
Ny hilazako anao dia hoe : „fanala“
Namana tsy manan-tsahala.
Raha ny feon’ny foko no henoiko
Dia mitepo hoe : „tsy foiko“
Tsy foiko mi’tsy ho an’olon-kafa
'Reo fiainantsika rehetra lasa.
Fa fitiavana efa tsara rary
Hatreny Ambohitrand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/antso-1 | Antso! | Mampikanto | ANTSO !
Antson’ny manina izany reko any ho any
Antso te-hiampita nefa toa voafehy
O!ry voron’iny, ilazao ilay tiako fa ny aty hoe tomany
Nefa aoka ihany ity redirediko ho lefy
Zany foko te-hitroatra, hamoaka ny ao anaty
Zany foko te-hikiaka, ny anaranao mazàna
O!ry tiako aleoko mody maty
Sy hikosoka izato eritr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/sambatra-2 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/rava-1 | Rava | Tsiky dia ampy | Raha ahiahy lavitiana
No na koa hasarotam-piaro
No nahasarika ahy handrindra
Ity vetsovetsom-poko ity
Dia azonao helohina aho.
Fa nanoratra aho satria
Ny masoko no safo-drano
Ny foko no miboba rà
Ny fitiava-nantenaiko hilomano
tao anaty...
Tsiodrivo-pifalian-doharano
nihamaty.
Mahavelona ahiahy.
Ahiahin-ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanty/ianao-6 | Ianao | Kanty | Ianao ilay nahatoy izao ahy
Ianao mamelombelona fanahy
Ianao ilay Tompo manan-kery
Tsy mamel' ho manirery
Fa Fitiavana Hafa Loatra
Ianao, asandratro am' Saotra
Am' fo feno tomany.
Ianao tsy mba ho lany mamy
Ianao nanarina ahy mangina,
Ka nandrara-pitahiana
Ho an'ity mpanomponao
Maditra tena maminao
Ianao na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/claude-randrianantenaina/raha-te-ho-sambatra | Raha te ho sambatra | Claude RANDRIANANTENAINA | Raha te hitady hasambarana
sy te hamboly fifaliana
Te hanala hasasarana,
sy te hanala fanaviana,
dia esory tao ny fo !
Raha te hitady fitoniana,
tsy te hahita fijaliana,
te handamina fisainana
tsy hiventy fitarainana,
fitiavana tsy atao an-doha !
Tsy te hahita fahoriana ?
foano koa ny faniriana.
Raha tsy te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/tiako-ianao-5 | Tiako ianao... | Ryana | TIAKO IANAO...
Tiako ianao...
Fony tsy nambara, nanadala fanahy, nametraka adin-tsaina,
Fony tsy voazara, naha-vahobahotra, nampiferinaina,
Nefa nandrandraina, namoronana atsanga mba handrenesana azy,
Nony nolazaina, niteraka haravoana fa hay tsy vazivazy!
Tiako ianao...
Teny roa ihany nefa ampy hamafàna irony a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/izaho-sy-ianao | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/mitsikia-1 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/ho-inonao-2 | Ho inonao ! | Mampikanto | HO INONAO
Ho inonao ny amiko sy izay mba hany vitako
Raha ireo manodidina aza tsy hainao hajaina!
Ho inonao tokoa izay tsiambarateloko
Raha tontolo feno siaka sy longoa no inianao lalaina!
Ho inonao ny azy sy izay fiainany any
Raha ny ampitso izay kinasa aza tsy tianao zaraina!
Ho inonao anef izay hany mba nata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanty/nofinofy-1 | Nofinofy... | Kanty | Nofinofy mamy,
Mamelona tomany ;
...Mamelom-paniriana,
Mitondra fifaliana.
Tsy fifaliana ihany
No entiny ho ahy avy any...
Nofinofy mamy
mamelona tomany.
Ny alahelo eo ihany
An'ilay malalako
Nefa, sambatra aho izany!!
Tena tiako ianao tsy sarako.
Mamy ery ange
Izany eo anilanao e!
Satria...ianao irery iha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raim/ny-tsiky-2 | Ny tsiky | Raim | Ny tsiky anie sakaiza
Na aiza ianao na aiza,
Na inona atao;
Dia lazaiko anao:
Fa hery tsy hay tohaina
Manohana ny saina;
Ka aza mihafihafy
Fa TSIKY anie dia ampy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/mahatsiaro-anao | Mahatsiaro anao | Lanto | Nitsahatra ny orana
Nihiratra ny andro
Toa nampisinda olana
Nampihandrohandro
F'izaho mahatsiaro anao
Eny an-dalambe
Olo-marobe
Hamonjy ny fodiany ?
Havany ? Olon-tiany ?
F'izaho te-hahita anao
Zaza mivorivory
Manao kisatady
Mpiasa tany mody
Miantsoroka angady
F'izaho manina anao
Rano mikoriana
Injao mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/neniko-ve | Neniko ve ? | Oully | Raha nanoratra aho mba hifona
Dia nanaiky fa izaho no diso
Indrindrindra, tsy ho tsaroana
Hanimbàna ny ampitso !
Nefa \'zay fihetsiko izay
No nampiova anao indray
Hanao ahy an-kila-bao
Namolaka ahy (angamba) ianao
Saingy, indrisy ! tara loatra
Efa an-dohalika ny ranom-bary
Ny ranomasoko efa ritra
Nionona \'l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/izy-no-tianao | Izy no tianao | Tsiky dia ampy | Izy no tianao,
Notoloranao fitsiky
Noseraninao fijery
Izy irery.
Ka sahinao
Vitanao
Ny tsy nanisy maso akory
Izato foko oriory
Satria izy no tianao.
Eny izy no tianao.
Na dia manana ny azy
Ampy ho azy hifaliany
Sady tiany
Saingy ianao
Tsy nandao
Fa vao mainka nody jamba
Jamban'ny fitia angamba.
Satria ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raim/ny-foko-tomany | Ny foko tomany | Raim | Raha rano manonja
Na dia misamonta
Toa haningotra aina
Voasedrako ihany
Fa te madonda
Toa vely Kanota
Tsy haiko tohaina
Ny foko tomany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/lasana | Lasana | Tsiky dia ampy | Lasana nidify tsy azoko notanana
Ilay sambo kely nataoko ho tena namana.
Lasana nisintaka tsy azo nosakanana
Nalama sy niala ka nikopakopatanana.
Lasana satria... lany ny fitia
Nataony vatofantsika hifaharana ao am-poko.
Onja mafy loatra no niaretany tety.
Tsy ho zakany intsony ilay tanam-bokovoko.
Lasana hitad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/ny-dian-tongotrao | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/germain-rajaona/anaro-ny-fo | Anaro ny fo | Germain RAJAONA | Anaro ny fo tsy ho be haitraitra,
Tsy ho sendaotran'ny zava-manaitra,
Fa maro ny ratsy no mody ho soa,
Ka maka ny endrika kanto tokoa.
Ny karazan'ankosotra maro dia maro,
Kanefa diniho no sady fantaro,
Tsy diso tsy akory ny vava miteny,
Fa ts'hisy maharitra anie izy ireny !
Ny firaka mantsy dia toa volafotsy,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/kalo-1 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/na-dia-fotsiny-aza-hoe | Na dia fotsiny aza hoe... | Ryana | NA DIA FOTSINY AZA HOE…
Raha mba fantatrao mantsy ny fahadisom-panantenako,
Zary maizina avokoa izay lalana ombako,
Mitriatra ny ato anaty, mihelakelaka ny fo,
Toy ny adala… very remby ka mivadik’ati-doha,
Rehefa injay ianao tsy hita,
Ny fiainako mipitrapitra!
Raha mba fantatrao mantsy f’iny fotoana fohy iny
No... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/fanontaniana | Fanontaniana | Oully | Nahoana izay no fiandohany ?
Nahoana izay no fahotany ?
Nahoana izay no fitomany ?
Nahoana izay no fiafarany ?
Nahoana izahay no nifankatia ?
Ahoana izany tsara ?
Ahoana izany anjara ?
Ahoana izany voarara ?
Ahoana izany hiafara ?
Ahoana raha ho anay ilay fitia ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/raha-mbola-misy | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/iny-1 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/rehefa-tsy-eo-ianao | rehefa tsy eo ianao | Ryana | REHEFA TSY EO IANAO
Rehefa tsy eo ianao,
Zary babangoana izay rehetra jereko;
Rehefa tsy eo ianao,
Ny fiainako misaona, tsy misy intsony ekeko;
Rehefa tsy eo ianao,
Ny foko zary maona, miantso fa tsy reko!
Rehefa tsy eo ianao,
Tsy misy zava-bitako, toa very remby aho;
Rehefa tsy eo ianao,
Izay nofaritako, toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/kisendrasendra | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/matoa-2 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/alina-mangina | Alina mangina | Mampikanto | ALINA MANGINA
Tao anatin’ny fahanginan’ny tontolo
No angalako sary an-tsaina
Ilay tsikinao malefaka
Sy ny endrikao toa tsy voasolo
Nanajana ny safidy
Tao am-po feno fahanginana…
Tsio-drivotra malefaka
No mba hany nanoina
Ilay antso mba hanampy
Ity fo toa vaky sy hitresaka!
Feom-piara iray nandalo
No nanimba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/meva | MEVA | Lebota | Tompo ô !
Aoka tsy akipinao
ny masoko,
te hibanjina
ny bika
sy ny hatsaran'itsy
"Eva"
Haritanan-dRainao
Ary anao,
Hitalanjonako
Amin'ny endriky
Ny "Fanaperana" atarany
taratry ny "Tavanao".
Sokafy izao ny masoko
Hahitako anao
am-batana
amin'ny endriky
ny hafa,
ka igagako
ny harinao
voakolo tsara asa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/ny-fahafahako | Ny fahafahako | Tsiky dia ampy | Olon'afaka hono ve
Satria navela ny handeha
Hanaraka ny sitrapony
Tsy ho namana intsony?
Olon'afaka satria
Miliba sy miriaria
Ao anatin'ny fitia?
Aoka lahy sao sanatria...
Fahafahana mangeja
Sarintsarim-pahafahana
Ny fahafahana tsy hoe
Ilay manao zay tian-katao
tafavoaka anaty rafitra
Fa fahafahana mifehy.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/sarinady | Sarin'ady | Lebota | Hanky ! Ady va re sa sarin'ady moa
Izato adin'olon-droa
mifankatia !
Eny é ! Ataoko hoe mifankatia tokoa
fa raha tsy izany nahoana ary no
rehefa tonga ny hafa
no toa nikasa hiova fomba fiasa...
Nefa ianao "nitolona"...
Toa izaho indray no natosika
hisisika
nanaovana anjolofo, niangaviana ! Asa !
Ka aza ny ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rindra/tia-aho | Tia aho | Rindra | Midobodoboka ny foko, isan'andro vaky izao
Isaky ny tojo endrika hitovizana aminao
Toa hiakatra ny ràko, te hiantso hoe "avia"
Fa mamolivoly ao, ilay foko tena tia
Tia aho tena tia, moa ve ianao no tiako ?
Sa ilay tsikitsikinao, no mameno ny hafaliako ?
Asa lahy, asa, na izaho no efa adala
Ka taitaitra lava izao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/raha-8 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/azonao | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/satriko-1 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/tsaroako-2 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/safidy-3 | Safidy | Mampikanto | SAFIDY
Nitsingerina ao an-tsaiko ireo lasa tany aloha
Tebiteby ahiahy, nefa toa hafaliana ihany koa
Nefa toa voatery hisafidy sa hiandry izay ho anjara
Ny tontolo izay jinery no aoka hanambara
Dia nandalo indray ny alina, tonga teo ny maraina
Toa tara-pahazavana kely no mitsidika ao an-tsaina
Ry foko ô! Monona m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/ho-ani-hery | Ho an'i hery | Lebota | Angamba kosa tsy ho tsiniko
Raha ny vatan'olon-kafa
Tsy natokana ho ahy
No terena ho fihiniko.
Tsy ho tsiniko satria
Izay terena mba hitia
Tsy araka ny sitrapony
Dia olona voageja
Tsy manan-jo intsony.
Ka n'iza n'iza hanery ahy
Na Hery na Anjely na Fanahy,
Rehefa tsy ny foko
No hamoaka izay ho sitrany
Dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/ampisambory | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/tia-1 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/hafatra-4 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/antsika | Antsika | Lanto | Ny lala-masakao no diaviko,
Ny zava-maminao no tiaviko,
Ny aiky sitrakao tsy laviko.
Mandray ny tolotrao no sitrako,
Fihoaram-pefinao no ditrako,
Ny ambeti-kalonao no hirako.
Ny efa vitanao toa lasako
Ny ampitso andrandrainao andrasako,
Ny vodilanitrao mba tazako.
Ny tomaninao no jaliko
Haizin-kitrokao no ali... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/fantatro-1 | FANTATRO!!! | Mampikanto | Fantatro!
Fantatro fa tsy ho ahy...
Hadalana angamba ny ahy!
Nefa ho avy ny fotoana
Ialako indray ny saona,
Mangina no hany fanafana
Itelemana ny ngidy
Tsy didy ny ahy fa safidy
Hisedra indray ny fasana
Fantatro fa tsy ho ahy
Ity vatako toa manahy
Toa zary mangina sy moana
Raha mahatsiaro ilay fotoana
Fija... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/ny-tsikitsikinao | Ny tsikitsikinao | Dox | Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana...
Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany...
Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana...
Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !
Dia lasany any aminy, nentiny any am-patoriana,
Nanofisany fitia, nanofisany hasambarana,
Nikaloan'ny fanahiny ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/modia | Modia | Tsiky dia ampy | Sasa-miandry, rera-tsaina
Eto an-tokonana aho ry tiako.
Sasa-miandry, rera-tsaina.
Fa ianao ilay nantenaina
Mba ho andry fifaliako
Dia nidify any ho any.
Ny masoandro sy ny volana
Nifandimby nanakora...
" Tia hono fa tsy tiana. "
Izato foko mitaraina
Amin'ny aliko mangina
Raha mba fantatrao ry tiana...
Raha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/tsy-isika | Tsy isika | Tsiky dia ampy | Tsia, tsy ianao angamba
Ilay nifanena tamiko iny
Sy nanopy maso ahy.
Satria tsinjoko ihany
Fa tsy fombanao izany.
Tsia, tsy ianao angamba
Ilay sahy nandray ny tanako,
Sy nitàna azy ela.
Satria ny mora noho izany aza
Toa tsy mety ho vitanao.
Tsia, tsy ianao angamba
Ilay nahavatra nihaino ahy
Mba nitory fitia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/ifonako-malala | Ifonako, malala | Ryana | IFONAKO, MALALA
Ireo teny tsy voahevitra, nandratra ny atifonao,
Ireo fanapahan-kevitra nokasaiko ho natao,
Ireo eritreritro nivoana, niampanga, niahiahy,
Toa didy ts’isy hoe nahoana… nandrotidrotika fanahy…
Ifonako aminao, malala :
Tia aho, ka toa adala…
Iny ranomasoko iny nirotsaka satria tsy tana;
Iny tebite... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/antso-sy-safidy | Antso sy safidy | Tsiky dia ampy | Antso sy safidy no nambabo ny fiainako,
Ka ny lala-nofinidy lali-pakan’ny fisainako,
No efa nahasarika ahy.
Antso sy safidy tsy azoko ialàna intsony,
Fa manery sy mandidy hanaraka ny sitra-pony,
Dia ny fiainan’ny fanahy.
Antso sy safidy izay tsy azoko idifiana.
F’izakàko indray adidy vaovao am-pifaliana.
Hijoro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/tsy-hitia-intsony | Tsy hitia intsony | Lanto | " Tsy hitia intsony
Tsy hitia intsony "
Hiakan-katezerana,
Hiakam-pahoriana
Nasesiky ny fony.
Tsy vitany noferana
Fa hiaka be kirina
Tsy hiato, tsy hitony
Raha tsy valian'ny akony :
Intsony, intsony, intsony.
Tsy hitia intsony
Baiko tsy tsaroany
Mandidy ny fisainany
Tsy azo ifandaharana,
Italahoam-pitsera... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/tora-po-ho-azy | Tora-po ho azy | Tsiky dia ampy | Andriamanitra ô, banjino
Iny zanakao iny.
Apetraho eny an-dàlany
Ny anjara fahazavana
Izay natoronao ahy.
Hahafahany miala
Amin’ny hady mangotàna
Maharendrika fanahy.
Fa izaho dia nanaiky
Hampangina ny fitiavako
Na dia mafy tamiko aza.
Ka ny masony nasaiko
Tsy hibanjina ny tavako
Niaretany ihany koa
Satri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/tsy-haiko-intsony | Tsy haiko intsony | Tsiky dia ampy | Tsy haiko na ianao no tsara
Na izaho no mora babo
Fa mipetraka ho tantara
Ka tsy afaka ao antsaiko
Ilay ianao
Sy izaho
Nifamihina maharitra
Tao anaty ora sarotry
Ny andro isarahana.
Nifamihina mangina
Nalahelo sady sina
Nahatsiaro ireo niarahana
Tsy haiko na ianao no tsara
Na izaho no mbola adala
Ka voate... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/any-ianao | ANY IANAO | Mampikanto | ANY IANAO !
Any ianao ry tiako!
Hianoka hasambarana ho ampoka fitia
Ny fonao sy ny azy mifandray tendro no hany fifaliako
Miondana eo an-tratrany, tsy mahatsiaro ho mania
Izay no hasambarako ary koa faniriako
Any ianao ry lala!
Ho safononoky ny mamy, ho lavitry ny jaly
Ilay foko tia anao, hevero ho “fo” adala!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/midika-fa-hoe-tiako-ianao-jen-deduis-que-je-taime | ... MIDIKA FA HOE TIAKO IANAO! | Ryana | … MIDIKA FA HOE TIAKO IANAO!
Ny tahotra manenika ahy fa hoe izaho ilaozanao,
Tsy mandry saina, miahiahy fa hoe tsy hahita anao,
Ireny alina mangina manadala ny fisainako,
Tebiteby, fanahiana, mandrakotra ireo marainako,
… Midika fa hoe tiako ianao!
Ny fahazarako mazàna mieritreritra anao,
Nofinofy tsy hay raràna... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-joseph-rabearivelo/fasana-faharoa | Fasana faharoa | Jean-Joseph Rabearivelo | Ilay fasako, fasako ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
Io no fasako iray, faharoa!
Tsy mba vero na mba rangolahy,
no manafina an'io fasana io
fa ny nofoko zary manahy
no mandrakotra omaly sy anio.
Sentosentoko mamelovelo,
ranomaso, toloko tsy tana
Izy ireny no sarin'avelo
mitampod... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/asa | Asa | Tsiky dia ampy | Eny e !
Sarotra amiko
Ny hamantatra ny hoaviko.
Fa
Ny hany azoko atao
Dia ny miezaka
Sy vonona
Hahatratra
Ilay tanjona kinendriko hatrizay.
Ny mampisalasala ahy ?
Sao dia tia ahy ianao.
Eny e !
Efa fantatro
Fa hanenjika ahy ianao.
Ka,
Ny vahaolana mba hitako.
Dia ny miala
Sy mitsoaka
Dieny izao
Tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/serasera | SERASERA | Oully | Sehatra iray hifankahalalana ny samy eto Gasikara sy ny any am-pita
Eto avokoa ireo famoahan-kevitra, fitiava-namana, kalo, hira sy mozika
Rohim-pifandraisana tsy hifanadinoina ho an'ireo mpiray tanindrazana
Afa-po mihitsy rehefa injay mahazo vahana, amin'ireo fifanakalozana
Satry foana hitsidika ity tranokala, ten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/mitraka-ry-fireneko | Mitrakà ry fireneko | Tsiky dia ampy | Mitrakà ry fireneko
Fa ny olona natsangana
Hampiakatra anao
Toa nivadi-belirano.
Raha izaho dia naleoko
Tsy nametraka an'ireo
Tamy toerana ambony,
Indrisy, nahitana angano.
Hay ka lainga be no reko
Tamin'izy ireo nilaza
Fa tsy ho ela dia ho avy
Ny fandrosoana nandrandraina.
Satria nony nojereko
Dia nihanan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/tolona-1 | Tolona | Tsiky dia ampy | Tolona ao anaty
No hany sisa adiko
Nilaozan'ny safidy.
Tolo-mandra-maty
No lalana hodiaviko
Ao anatin'ny mangidy
Tolom-pihafiana
Hanaiky ny ho irery
Ho tokana doria
Tolon'ny tsy tiana
Zara manan-kery
Hahafahana mitia
Tolon'ny mahantra
Tsy mba manam-bola
Hambaboana sento
Tolon'ny tsy zatra
Menatra hidola... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/mba-saino-ange-e | Mba saino angé é! | Tsiky dia ampy | Saino angé !
Raha naborako hono izany
Ilay fitia tato anatiko
Ka nodiako tsy jerena
Hoe an'olon-kafa ianao
Dia ho inona no vokany?
Raha noraisiko hono izany
Ny tananao ho amin'ny ahiko
Ka nohadinoina vetivety
Hoe olo-manan-tompo ianao
Dia tsy fahotako ve?
Raha nikambana hono izany
Ka niaraka isika
Dia nata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/izy-2 | Izy | Tsiky dia ampy | Ny zavatra rehetra izay mba nantenaiko,
Dia azoko avy taminy.
Ka ireo izay nataoko, hahazoako izay nilaiko,
Dia nanjary maminy.
Ny fiainana izay mendrika ka nandrandraiko fatratra,
Dia hitako fa niainany.
Ary ny fisainako, nanjary tonga lafatra,
Dia avy amin’ny fisainany.
Ny fiainako taloha izay fenoko toloko,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/niniako | Niniako | Tsiky dia ampy | Niniako nohadinoina ireny lasanay fahiny,
Ny tsikiny matetika mandravaka ny tavany.
Niniako tsy tsaroana akory iny hatsarany iny
Sy ny zavatra nomeny ho porofon’ny fitiavany.
Niniako tsy nohainoina ny fangatahany hitoetra,
Hoe hitia ahy indray sy hamela ny hadisoako.
Niniako tsy valiana intsony ny antsony rehetra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/taombaovao-mahantra | Taombaovao mahantra | Tsiky dia ampy | Injany fa manako any ambadimbadika any
Ny hira sy torebik'ireo manana hatao.
Kiakiaka, fiarahabana, toa iniana mba ho reko,
Saingy inoako fa tsy iandrasana ny valiny avy amiko
Izay izaho tsy mba afaka hamoaka sento akory
Lanaky ny hanoanana ka tsy afaka matory.
Kiririoka, horakoraka, hehim-pifaliana hono.
Saingy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/hitia-ihany | Hitia ihany | Tsiky dia ampy | Na mangidy sy tsy laitra aza
Ny kapoaka izay hogohiko
Noho ianao, noho ny hafa
Izay tsy maintsy hotiaviko
Dia tsy hampaninona ahy
Hitia, hitia hatrany.
Ka ny fanakanana ahy am’izany dia holaviko.
Na ho zary fijaliana, tsy hahitako fifaliana
Ny valisoa mba ho azoko, hampaninona ahy moa ?
Fa ny tanjona ho ahy di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/ho-vidin-dranomasonao | Ho vidin-dranomasonao | Tsiky dia ampy | Ny mombamomba anao rehetra
Mikasika ny fiainanao
Dia voatantaranao tamiko.
Ny alahelo ts’isy fetra
Namono ny fitiavanao
Izay te-hiantefa amiko
Dia navadikao tomany
Ranomaso tsy hita lany.
Ka ho vidin-dranomasonao
Dia atolotro ny tsikiko
Mba hampitsiky anao koa.
Ho vidin-dranomasonao
Dia hariako ny hadalàna,... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.