url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/tsy-anjara-angamba | Tsy anjara angamba... | Elysé Azrael | Nahoana re ianao no nanaiky ho eto anilako,
Kanefa anie ianao tsy ho ahy akory tsinona?
Toa tsy sitrakao izany hoe ho silako,
Kanefa koa izaho tianao hofihinina!
Nahoana re izaho no dia niraikiraiky,
Ka rehefa nantsoinao avy hatrany dia nanaiky?
Efa tsy anjara: tsy ianao intsony angamba,
No tendry mba hitantana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/noely-kelinay | NOELY KELINAY | Nic Coper Ofisialy | Tonga indray ity ilay noely,
Izay voalaza, fa fetin’ny zaza kely,
Mahazo kilalao avokoa ny ankizy,
Ka somebiseby, faly izay tsy izy,
Dia maka, sary miaraka amin’ny dadabe noely,
ary Avy eo miara-mifety, amin’ny dada sy Neny,
Dia misakafo matsiro, sy mahazo vato mamy,
Hafaliana re izao, tsy misy tahak’izany.
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/miherim-pitia | Miherim-pitia ? | Nosy Malala | Miherim-pitia ?
Niasa mafy izy, dia nividy poketra,
Satriny hizara amin’olondrehetra,
Saingy ilay izy toa tsy ampy isa,
Mety hisy alahelo sy hitsiriritra.
Nantsoiny mitokana ilay iray nofinidiny, tanatin’ny maro, iray mba safidiny.
"Avy amin’ny fo fa zaho tsy dia manana".
Hoy izy nanolotra ny kely teny antanana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-andro-iray | TSY MISY ANDRO IRAY | Fredy Jaofera | TSY MISY ANDRO IRAY
Tsy misy andro iray
tsy ahatsiarovako anao
raha toa ka tsy hay
ny iainana fa te hilalao.
Tsy misy andro iray
tsy anembonako anao
raha manina indray
ny tena re fa tsy tsaho.
Tsy misy andro iray
tsy ikarohako eto ianao
raha alahelo mivay,
nanonjaonja tao ho ao.
Tsy misy andro iray
tsy an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ananako | GOAVANA | Fredy Jaofera | GOAVANA
Ny fitiavana
izay ananana
ato am-poko
dia goavana
hananganana
fitia tsara loko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanantenana-tokana | FANANTENANA TOKANA | Fredy Jaofera | FANANTENANA TOKANA
Niova atody lamokana
ny nisy fa tsy hanihany
ka nahaketraka mora ;
ny fanantenana tokana
dia mbola ianao ihany,
na tojo alahelo ny ora. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/faniriako-izao | FANIRIAKO IZAO | Ny Andrianary | Ny faniriako izao,
izaho mahita asa ampy hahavelomako, ireto ankohonako
na mora io na sarotra
Ny tiako tsy hivarotra ny kely mba ananako hahazoana vola
Fa satriko herin-tanako na ny herin-tsaiko
no hahazoako tambiny na tombony ho an'ireo aiko.
Kanefa tsy izay tiako no afaka hahavita ny nofinofinay
Indro izao nam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/nofy-nantenaina | NOFY NANTENAINA | Mahalia❤✨ | ''NOFY NANTENAINA''
Mbola tsy ary akory ianao
dia efa fantatray mialoha
Ny teboka amam-paingo
amin'ny sori-dalanao
Eny,fony mbola nofy ianao
ary aina nikoriana tanaty rany koa
dia sahady nisy ainga
sy Fanahy nitepo ho anao
Ianao ilay sombinaina
hamelona indray
ny taran'ny fanjava
natelin'ny ali-maro
Masoan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/any-i-malala | ANY i MALALA | Mahalia❤✨ | Any i Malala❤✨
Inoako marimarina fa mahatsiaro koa ianao am'pamakiana ity hafatro eto ity
Ny vaovao tsy misy loatra fa toy 'lay omaly ihany
Tsy mbola nisy niova f'izaho sy ny alahelo no mifampitady aty
Manao fangalam'piery amin'ny tsiky sy tomany
''Fa manina anao mafy''
Anio izao toa tsy ho tanty
Ny hamisavisa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/m%C3%B4lam%C3%B4la-kely-maditraditra-kely | Môlamôla kely, maditraditra kely | Elysé Azrael | Môlamôla kely, maditraditra kely,
Kanefa tsara endrika, sy manja kely ikala,
Toa latsaka eto an-tany, santionan'ny anjely,
Ka babony ny foko, te hiantso azy hoe malala!
Môlamôla kely, somary misariaka,
Raha sendra eny ho eny, mampiherika mpandalo...
Izany izy raha mitsiky, toa volana baliaka!
Ny sendra itsikiany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/raha-toa | Raha toa... | Herilanja RANDRIAMANGA | Raha toa ka anaty nofy ihany,
No ahitako anao mitsiky,
Dia aleoko foana ihany,
Tsy mifoha mihitsy.
Raha toa ianao mbola mahatsiahy
Mahatsiaro ny fisiako,
Dia aza asina ahiahy.
Antsoy ihany aho fa hovaliako.
Raha toa ianao ka tomany,
Na koa mahatsiaro irery,
Miantsoa foana ihany,
Fa hoavy aho hankahery.
Raha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hafa-foana | HAFA FOANA | Fredy Jaofera | HAFA FOANA
Fantaro ny tena lalàna
marina sy tsy mety atakalo
raha te hivoatra na hihavao :
rehefa tsy tiana hovana
eto amin'ity fiainana mandalo,
tsy maintsy hafa foana ianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/ny-harenako | NY HARENAKO | Mahalia❤✨ | NY HARENAKO
Anaka,indreo ianareo zanako
Aina avy amin'ny aiko
Loharanom-pahasambarako
Ny isan'androko kasaiko
Hikelezako aina fatratra
Hitozoako foana foana
Tsy sasatra aho mikatsaka
Raha mbola misy ny fotoana
Hahafahako manambatra
Ny herim-poko manontolo
Dia mbola vonona aho hijoro
Na efa trotraka sy lanak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ilay-sivanjato-very | Ilay sivanjato very, | Nosy Malala | Ilay sivanjato ( euros) very,
Satrin’i "Dylan" hono ilay sivanjato "euro",
Nanaovana asa soa toy izay lasa "zero"
Nihevitra izy mantsy, fa tsy mba nisy,
Nihantra, nividy tapakila ho "andRalisy".
"Soa valihy" moa dia mbola nanamafy,
Ny tao antsainy hono, dia saika hanampy,
Maro loatra tampoka ireo namaly antso,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asaphs-mahane/tsetsatsetsa-tsy-aritra | TSETSATSETSA TSY ARITRA | Asaph's Mahane | Izany ka tsy mba nisy notantaraina
Na Reseau, na expression nantenaina ;
Marina fa ity no tena taolan-gisa,
Tena sarotra, nanao ahoana izy tao ry Melisa?
Asa re raha mbola tahaka izany!
Ity rahampitso, fa toa mampitomany ;
Texte be tsy hisy mety atao tsianjery,
Ry Ando nefa mety mahay tsy anki-jery
Repechage va... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-manam-pitsaharana | TSY MANAM-PITSAHARANA | Fredy Jaofera | TSY MANAM-PITSAHARANA
Tsy manam-pitsaharana
ny tsiahy mifono alahelo,
na izao ity fandaharana
izay, hoe, tsiambaratelo.
Tsy manam-pitsaharana
ny nofy foana antenaina
fa mibaby hasambarana
mamelombelona aina.
Tsy manam-pitsaharana
irony mba hirahirantsika
vao inty manarangarana
ny tanrara mahasariaka.
Tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randja/lafatra | Lafatra | Randja | Tsy haiko ny hilaza ny hafatra
na koa hoe be safary hanatsara
fa ny eo anilanao no tonga lafatra
tsara kolokolo sy vita karakara
Tsy dia be filaza aho, fandrao
hamorona ny tsy misy, mety hanahirana
aoka ny maso mijery no hitsara anao
ianao no lafatra tsy azo hifandirana
Tsy vao omaly aho no nandinika ny zava-mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/vetso | VETSO | Ravo | VETSO
ny vonin-draozy tena tsara
dia ilay mivelatra maraina,
mandefa hanitra hanambara
ny fiaraha-miombona aina.
fa ny raozy tsara indrindra
dia ilay fo miaina sy mitempo
ka fitiavana voarindra:
na lavitra aza dia avetso.
Ravo, in Aika, takila 82, Antananarivo 21 Mars 2022 |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-kala | RY KALA | Fredy Jaofera | RY KALA
Ry kala, mieritrereta
fa aza mamely moa,
rehefa tsy hetaheta
ny tenako, mirosoa.
Ry kala, mieritrereta
fa izay notontosaina,
misy tody, mahareta,
ka dia hampangaina.
Ry kala, mieritrereta
fa ny very sasaka any
ho neninao ka ny feta
zara raha ampy ihany.
Ry kala, mieritrereta
fa mbola lavitra ny di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/andry | ANDRY | Mahalia❤✨ | "ANDRY"
Tsy hoe tena tonga lafatra sy tsy misy tsiny akory,
Fa ampy ho "Andry" iankinako amin'ny sisa tombon'androko.
Tsy anjely velively izy fa mahavita mampitony;
Mampitsiky,mampitraka raha sendra maloka ny tavako!!!.
''Andry'' mampijoro ahy ho marina famindra,
Mamikitra ny tanako sy tsy mamela ahy hiady irery.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mitia-anaty | MITIA ANATY | AORN | Ilay fihetsikao nianjona
Nangarika fijery
no sary tato an-tsaiko
tsy niala na voakosoky
ny andro nifandimby...
Ka moa tsy adaladala
'ty foko te hamafa
no lasa te hidoboka
hikiry te hamantatra
ny mombamomba anao?
Sa izany ilay lazaina hoe
rehefa tia "adala"?
Ny saina tsy manaiky
fa ny fo tsy te hahalala?
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/mamiko-ianao | Mamiko ianao | Elysé Azrael | Mamy loatra mantsy 'lay teo anilanao,
Mamy loatra koa ilay nofihininao,
Mamy loatra koa ilay notiavinao,
Mamy loatra ianao: ianao, ianao...
Ka raha mahatsiaro anao aho, dia aza omena tsiny,
Fa tena mamy loatra ilay orokao fahiny...
Tena mamy loatra 'lay omenao tambitamby,
Tena mamy loatra 'reo tsiky sangisangy..... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/misaotra-anao-nitia | MISAOTRA ANAO NITIA | Mahalia❤✨ | MISAOTRA ANAO NITIA
Mirary ho anao ny lafatra tsy hahitan-tomika
Dia maniry anao ho sambatra amin'ny lafiny rehetra
Tsy nisy nanenenena raha ireo zava-bitantsika
Tantin'ny aty foko izany...fa izaho ange poeta e!
Tsy hanozona aho akory na koa handeha hiantso tody
Fa io rehefa tsy mety tsy azontsika atao ahoana
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/nofy-ratsy | NOFY RATSY | Mahalia❤✨ | ''NOFY RATSY''
Mety hoe maharary ilay miaina tsisy anao
Anatin'ny andro tsy voafetra na amam-bola-maromaro
Mety hoe tsy tanty ilay mandao ny tratranao
Saingy,tsy nahaleo ny voady ireo fisedrana izay nandalo
Iza moa no hanam-po ny lalantsika tsy hitohy?
Raha nanjohy ny tantara sy ireo zava-nisy teto
Na isika aza ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/nofy-nantenainaf | NOFY NANTENAINA | Mahalia❤✨ | NOFY NANTENAINA(F)
Misy ampaham-pahazavana mitsilopy any ho any
Taratra mamelona ampahana fisiana
Tsy haiko izay ho entiny na ho tsiky na ho
tomany
Fa eto aloha ny foko mihiaka fifaliana
Tretrika sy faly...midera anaty Mpahary.
Mamisavisa ny ho avy rahatrizay ianao ho ary.
Sambara Sombiniaiko fa neny hiady ho a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/ho-anise | HO AN'ISE | Mahalia❤✨ | HO AN'ISE
Tsy volamena ny fitiavako fa afaka mamiratra raha toa ka ho an'ise
Tsy sarobidy lavitra mihoatra noho ny ainao
Saingy...afaka miantoka hasambaram-be dia be.
Tsy mahay manao izao sy izao ho tambin'itsy sy itsy
Dia tsy mahatakatra ny volana ho ataonao kilalao
Fa mana(na)m-(f)po midanadana tsy misy mponina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/fanahy-tia-tena | FANAHY TIA TENA | Ny Andrianary | Tsaroako hatrany hatrany 'lay prôfy malagasy
rehefa injay aho ka manoratra mandray taratasy...
Fa hay tokoa ka mafy ny andevozin'ny fanahy!
Toy ny tromba lahy!
Ankisendrasendra, tsy ampoizinao iny no hiaviany
tampoka...
Tsy maintsy ianao manaiky,
fa kibay am-para hatoka
aza mafy,
rehefa ianao tsy mety!
Hianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/afaka-aho | AFAKA AHO | Mahalia❤✨ | ***Afaka aho***
Ohatran'ny hoe tsy za lay matimaty be
Sy tsy naharay lamba vao nolalovan'ise
Ohatran'ny hoe tsy za lay saika lasa adala
Sy nirediredy hoe :''Ahy irery ianao Malala ''
Ka inona midona na inona mitranga
Tsisy miala zany eo fa ny ahy ny lanitro efa manga.
Dia iny aho tsy naharay lamba vao monja siok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/laha-janahary | LAHA-JANAHARY | Mahalia❤✨ | Raha ny fisarahanay no ataonao fifaliana?
Dia saotra sesehena no atolotra amin'ny fo
Lazaiko marimarina fa iny tsy niriana
Fa ''LAHA-JANAHARY'' ka tsy maintsy ekena moa
Ny nofo no nisaraka sy voatery nifandao
Fa ny ambiroanay kosa mbola miara- dia hatrany
Miaina fahasambarana anaty ''Edena'' vaovao
Ny ''avelo sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/tsingerintaonako | Tsingerintaonako | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | Tsingerintaonako
Andro sarobidy, miavaka
Ka indro atomboko ami(n'ny) vavaka,
Tonga taona aho mantsy androany,
Ka faly, mirana aok'izany:
Deraiko Ianao ry Ray Tsitoha,
Nivimbina ahy, namafy soa;
Fa tombon'andro avy aminao,
Izao tanteraka anio izao.
Raha itodihako ny lasa,
Dia tsapa ho kely izay kinasa;
Raha n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/salamonny-fanahiko | SALAMON'NY FANAHIKO | Mahalia❤✨ | SALAMON'NY FANAHIKO
Ry Lanitra mangina mpitsinjo fo fanahy
Antsoiko ianao hitantana 'lay tokana nekeko
Esory tao anatiny ireo fonjan'ny ahiahy
Fa feno sotasota raha ny tany diavina eto.
Ampianaro izy hahay hamindra amin'ny lalana mahitsy
Tariho amin'ny faharetana sy fahendrena koa
Tafio ny herinao tsy ho kivy mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/anaty-nofinofy | ANATY NOFINOFY | Elysé Azrael | Anaty nofy mamy, misy nosy iray
Nofisiko mazàna fa hoe tontolontsika,
Tontolo nofinofy, fa nofy mba voaray
Ho ampaham-pahasambarana amin'ny tontolo tsy hita..
F'anaty nofinofy, libra ny foko,
Libra tanteraka: afaka manidina,
Afaka mandresy ny sento sy toloko,
Any amin'ny avo indrindra ny fanahiko vao midina...
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/tsy-ho-hisy-itovy-amiko | TSY HO HISY ITOVY AMIKO | Nic Coper Ofisialy | Maro ny mety hahasolo ahy, tsy laviko izany,
Ary Betsaka ny fakampanay, meran-tany,
Maro no te hiditra, sy afaka isafidianana,
Afahanao mihevitra, fa mendrika hanariana, ny efa eo an-tanana.
Fa tsarovy fotsiny, fa tsy hanakana aho, raha toa ianao andeha,
Ary ny ho soloko, efa aiko ihany koa , fa ho de dia be,
Sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/rima-mifanjohy | RIMA MIFANJOHY | Mahalia❤✨ | RIMA MIFANJOHY
... ''setrin'ilay riankalon'i Ny Kintana Fitarikandro hoe: MIADY RIMA''...
Rima mifanjohy
Fa tsy mifankafoy
N'inona hasomparana
Nanavatsava lalana...
Dia mbola indreto isika roa
Hatrany miombom'po
Mifaningotra am'panahy
Mifampitony ahiahy
Satria 'lay Teny nanan-jina
No Lasa tononkira
(Hiombo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/androany-maraina0 | Androany maraina! | tsiolaka | Tao ambany tetezana androany maraina?
Loza lehiretsy! ... dia nahoana loatra?
Fa dia nisy nanary an'ity sombiniainy,
Mbola zaza miraikitra amy tadimpoitra
Ireo izay nahita dia samy nitsetra
nahita ity vatana kely afaka aina
Nanatsiny ny reny ny rehetra rehetra
hoe olon-tsy vanona tsy misy saina
Fa olon'iza loat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/izaho-sy-ianao | IZAHO sy IANAO | Ny Andrianary | "Ianao" no mba avy eo rehefa nisy "izaho",
izay aloha vao "izy"!
Fa ny nahavariana,
ilay "izaho" talohanao toa tsy mionina ny saina
fa "ianao" manaraka azy no manalokaloka azy,
manaitra ny ambiroany,
Manetsika ny lohany,
mandòna ny ati-fony
ka manaitra ny fitiavany.
Dia nisy "izaho" sy "ianao"...
Nodinganints... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/diso-fiantefa | DISO FIANTEFA | Mahalia❤✨ | DISO FIANTEFA
Noheveriko ho mba tena izy ilay fitia natolony ahy
hay lemy paika tsara drafitra namatorany ny foko fotsiny
Izaho moa tena tia ka dia natoky tsy nanahy
saingy ny azy sarisary fa tsy izaho no tena tompony
(raha ny ao am-pony no haboraka)
Angamba vakiraoka nataony hanjaran-tena
na fotsiny toa "avana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/hamela-anao | HAMELA ANAO | Mahalia❤✨ | HAMELA ANAO
Ny fahatsapako tena hoe izaho koa tsy tonga lafatra
No manosika ny foko ''hamela anao'' sahady.
Tsy noho ianao hoe tiako na hoe izaho no tsy mahasaraka
Fa tsy atao handrava kosa raha 'zay resaka adiady. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/izaho-sy-ianao | IZAHO SY IANAO | Elysé Azrael | Tena tiako be
Raha toa ka hoe
Zaho sy ianao
Hanorina tontolo vaovao...
Dia izaho sy ianao
No hiara-honina ao,
Ka tsy intsony
'Reo lonilony,
Fa ho hasambarana hatrany...
Dia tena ho sambatra tokoa,
Ny fiainantsika roa... ho soa...
Raha toa ianao anilako...
Ny anio, ny hoavy manontolo
Ho tonga lafatra
Hamir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/tsy-rediredy | TSY REDIREDY | Ny Andrianary | Tsy rediredin'ny tia
akory ny fitoriana lava izao,
fa noho ny herin'ny fitia
dia babo izy ka manao.
Tsy rediredin'ny manina
ny mivetso hira malahelo,
fa fitia te hitakarina
no indro mampamelovelo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/tao | ***TAO*** | Mahalia❤✨ | ***TAO***
Tanaty "DIAMPENINAO" no narindranao ho kanto ny misinao rehetra,
Ny misinao rehetra izay voatemitra tantara sy tsiambaratelo maro!
Tsy hary takatro visaina fa "FOTSINY" aho mamaky dia efa mangetaheta.
Toa sahady "IRAY LAMBANANA" kanefa mpivahiny sy olona mandalo.
Tao* no nahanjakao ny tontolo iainanao sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/loza-ity | Loza ity... | Ny Andrianary | Mitaika moramora ao ambon'ity trano ny orana vaventy
Mitondra fakofako sy loto sesehena ity lakan-drano ity
Ilay jiafotsy sy fanitso aron'ity tafo moa rava vetivety
Ary tonga dibo-drano ny tanatiny rehetra, tratra ireo lovia.
fa inona ary ity? Inona daholo ireto zava-mitsingevana manerana ny trano?
Fofona tsy fofo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandry-kely-mitempo-fitia/mitia-mangina | MITIA MANGINA? | Zandry kely Mitempo Fitia | Misy olona mitia mangina
Fa tsy sahy miteny
Dia tazominy hoazy irery
Na dia miaina fangirifiriana
Ny ao an-tsaina lalina
Fa hoe hiteny mivantana
Dia indro fa misy sakana
Sakana hilaza ny marina
Dia mitia mangina foana
Fa tsy mba sahy mamboraka
Satria matahotra sy mivoraka
Dia indro fa lany fotoana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joharyfenosoa/jesoa-tia-anao | JESOA TIA ANAO | joharyfenosoa | tia nao Jesoa ry namako mahantra, , tia anao Izy ary vonona hampitraka, ny olana mianjady fahoriana mahazo anao, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/mianara | MIANARA | Ny Andrianary | Nomeny anao ny tany,
Dia ao ianao manovo ny atao hoe fahavelomana.
Saingy nisy foana ihany
Nentim-bitan-dratsy naka samirery ny tombotsoa iombonana.
Nasiana ny fianarana,
Ho ampinga enti-miady amin'ny fanambakana
Fa ao ireo tsy manana
Tsy mba nanovo izany ka nobadoin'ireo nahita fahalalana.
Nankaiza ireo takal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/hiranny-anjelyhiranny-noely | HIRAN'NY ANJELY=HIRAN'NY NOELY | Elysé Azrael | Hiran'ny anjely,
Anjely marobe:
Hiran'ny Noely,
Hira mamy hoe:
Voninahitra any an-danitra,
Ho anao ry Andriamanitra,
Fiadanana ety an-tany,
Ho an'ny olona ankasitrahany!
Ireo mpiandry ondry
Tao anatin'ny aizim-be
Novangian'ny anjely
Nihira mamy hoe:
Voninahitra any an-danitra,
Ho anao ry Andriamanitra,
Fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/ny-anjara | NY ANJARA | Ny Andrianary | Tsy ireo izay notiavina tao am-po tokoa
Tsy ireo manaiky hanolotra ny vatany ho anao
Tsy ireo mahafoy fotoana hiarahana aminao
Tsy ireo izay tia mahatolotra ny sarobidy ho anao
Tsy ireo izay azo nofy sy hanembonana any ho any
Tsy ireo izay malahelo raha toa ka lasa ianao
Tsy ireo izay voafidy…
Tsy ireny no anjar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/vaika | VAIKA | Mahalia❤✨ | Manempotra ny foko
Ny tanjozotron-tsiaro
Mamikitra ny eritro.
Toa miadana fisoko
Kanefa mampimalo
Mandringana ny heriko
(ny onja atopatopany...)
Manjary mampanjahatra
Ity saiko toa tsy mino
Sy tsy mety resy lahatra,
Tsy manaiky hanadino
(ny fisarahan-dalana!!!)
Mahatsiaro anao hatrany,
Ary mino foana foana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ry-alina | Ry alina | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Ry alin'ny tomaniko!
Aza omenao tsiny izany sentosentoko,
Tsy vatrako nafenina.
Tsy vokatry ny nenina akory sanatria;
Fa dobok'onjamafin'ny aloka fitia
Manenika ny lalako, dia...
Misento aho.
Dia mpisakaiza isika,
F'ianao tsy mahazava izay anton'ny hetraketraka,
Izaho tsy mahavaly izay anton'ny tomaniko, fa...... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joharyfenosoa/ity-fiainako | ITY FIAINAKO | joharyfenosoa | ry fiainako mahantra, Voahilika ombeny , Tsy mba natao ho hajaina fa voasoratra ho roraina, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/handalo | ...(HANDALO)... | Mahalia❤✨ | ...(HANDALO)... ''Setrin'ny tononkalon' i Tsila Tolotriniavo hoe : "Zava-drehetra".
Ny eto tsy miova fa mahatsiaro foana,
Fa giazan'adidy dia tsy afa-mitroatra.
Tsy hoe manadino raha tsy afaka mihaona;
Mba manina ihany fa tsy afa-manoatra.
Satriko indrindra ny handalo sy hitafa,
Hamangy sy hitsidika anao in-dray ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andrianary/ikala-maria | Ikala Maria | Ny Andrianary | IKALA MARIA
Orankorana madinidinika no mipatraka aty aminay
Na kely na be dia mavitrika miara-mitaona kitay,
Ikala Maria kosa anefa, irahan'ny kibony noana,
Tsy vady, tsy havana hitsetra dia aleony mikaroka foana.
Lasa iKala Maria, tena lasa izy telo mianaka
Anaty orana, miviavia, miaritra ireo kotro-baratra,
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/misaotra | MISAOTRA | Nic Coper Ofisialy | Tokana ny teny, ny amin'ny hoe misaotra
fa Na ny vava hiteny azy aza, moa vaotra
Satria, tsapa dia tsapa tokoa
Fa manana anareo,ka manana tokoa
Teo foana, nanohana, nanampy
Ka dia feno avokoa, ireo rehetra tsy ampy
Lehibe tokoa izany, fa sy mba hoe kely
Ka sarotra ny hanako-maso, manoloana ireny
Tsy manana h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/babonao-ny-foko | BABONAO NY FOKO | Elysé Azrael | Ambarako androany,
Ho ren-danitra ho ren-tany
Fa tia anao aho,
Babonao ny foko...
Vonona aho ny hiara-dia,
Vonona aho ny hifankatia,
Tsy androany ihany
Fa ho doria...
Ka ny androko sisa:
Atolotro anao!
Ka ny fiainantsika:
Ho fiainam-baovao!
Tena ho paradisa,
Manomboka izao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/tsy-ho-poeta-intsony-aho | ''TSY HO POETA INTSONY AHO" | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | Ity angamba iky no fara diam-peniko,
Angamba ity no hafatra no sady fara-teniko.
Mamy no niarahana, tsara izay navoaka.
Fa ampy izay angamba;aoka tena Aoka!
Ry kantoko nitoetra Fa afa-po ny ahiko.
Mamo ny fanahiko,eny! tsy hanindroa,
Aleo aho mba ho afaka,avelao hifoha.
Tapa-kevitra aho fa hiova tarigetra.
Ka t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/ampy-azy | AMPY AZY | Mahalia❤✨ | AMPY AZY
Tsy hoe ialahy no tsy nilainy raha navelany nandeha,
F'izy tsy afaka mitazona izay efa tsy tamana;
Raha fitiavana no resaka...izy tena nanome,
Nitia tamin'ny fony f'ialahy mihitsy no malama.
Dia voatery nanadino izy na dia mbola te hisambatra,
Tsy maintsy ialahy nafoiny hotantanan'olon-kafa.
Ny sainy ef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/tiako | TIAKO | Mahalia❤✨ | TIAKO
Mba tiako ho fantatra daholo
Ny ao an-tsainy manontolo,
Iriako ho hay tsy misy fetra
Ny ao am-pony rehetra rehetra!
Fa tena tiako mihoatra izany
Raha hoe mira ny ao am-po,
Satria fitia tsy ho lany mamy
No hanjaka ao tokoa!!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joharyfenosoa/sentonny-fo | SENTON'NY FO | joharyfenosoa | Ny foko misento manembona anao, mahatsiaro manirery fa lavitra anao, mitamberina an-tsaiko ilay teny manandanja,dia misento ny foko mahatsapa tena banga,tsy maintsy misento raha sendra mangina,tsampako mafaitra ny tsy anilanao ry tiana,ny sento ny foko nosoratako anao,fa ny vatako no lavitra fa ny foko anilanao,lasa n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/vavaka-ho-ahy | VAVAKA HO AHY | NY Andri-Fara | VAVAKA HAFAHAFA
Androany aho te hivavaka
Hiondrika hifona amin'Andriamanitra.
Kanefa vahotra ny lela...;
Tsy afaka hanambara!
Haneho ny ato am-poko.
Tompo o!
Ity fo malemy sy maditra
Mitalaho fa mpanota.
Tsy afaka hanonitra ireo ratsy efa vita!
Amindrao fo re, fa zanaka tsy laitra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/petera-sa-jodasy | Petera sa Jodasy ? | Heriarilala Andriamamonjy | PETERA SA JODASY ?
Ianao nanaiky foana teto anatrehako, nilaza ho tena tia
Tsy hisy fiatoana hanaraka ny halehako, hiaro ho doria
Nazoto ery nitantana, faly koa namihina fa tompon'ito foko
Tsy niakanakana rehefa nodinihina, tsy mbola koa nioko.
Impiry nivoady, nianiana injato kely fa tsy handao na oviana
Raha tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/ampio-aho | Ampio aho | Ikalamako | Intsony aza aboraka hoe mbola tia ianao
Intsony aza tairina ny foko nahay nionona.
Fa ampio aho hanodina ny saiko
Tsy hiampita, na monja indray mandeha,
Hitety irony lasantsika.
Fenoy an-dohanao
Ireo tsy nety vitako noho ny foko diso tia.
Odio tsy nisy ilay
Fitiavako nisisika, tanatin’ny fonao tia milalao fitia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/mbola-henonao | Mbola henonao ? | Heriarilala Andriamamonjy | Mbola henonao ?
Tompo ô !
Tsy nety reko intsony ilay feonao mamaly
Miezaka aho mitony fa tsy mety ho faly
Vaka izao ny saiko hoe tena misy ianao !
Marary anie ny aiko amin'ny zava-misy izao.
Tompo ô !
Moa tena avo loatra ilay efi-manasaraka ?
Sa izahay mpanota tsy mba mioty valim-bavaka ?
Sao vavabava-poana k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/lm | POEZIA | Mahalia❤✨ | POEZIA
Ianao 'lay mahatsapa ny misiko rehetra,
Na ampahana fisiana na ahiko manontolo.
Ianao 'lay nitia,tsy nanisy koa fepetra!!!
'Lay hany fanaperako ary tsisy mahasolo.
Ianao 'lay nifidy ahy fony aho mbola tsy ary!
'Lay nanafy ahy ny lamba hisalorako anao.
Novontosanao talenta aho mba handokoako sary,
Ary a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/izaho-kely | Izaho kely | Heriarilala Andriamamonjy | Izaho kely
Izaho kely anankiray
nitepo tato anatiko
no hisy rahatrizay,
ho teliko sy mamiko.
D'hikolo aho sy hanabe,
hanambitamby koa
f'ilay sombinaiko ange
tsy manam-paharoa.
Ho jenitra amin'izany,
mikarakara tiana,
mitsiky hatrany hatrany
fa eo ilay nirina.
Izaho kely anankiray
nitepo tato anatiko
no h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/tonga-soa-ry-sombinaina | Tonga soa ry Sombinaina | Heriarilala Andriamamonjy | Tonga soa ry Sombinaina
Tonga soa ry Sombinaina
ato an'efitranontsika
tato ianao no nokenaina
dia ato no mifankahita.
Fifaliana ho an'i Neny
ny fahatongavanao etoana
fahiny mantsy, tamin'ireny
ny tranoko nangina foana.
Ankehitriny ianao efa eto
mpitabataba ho fifaliana
nifarana àry izany sento
fa eo ny hiak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/mihetseha-ry-sombinaina | Mihetseha ry Sombinaina | Heriarilala Andriamamonjy | Mihetseha ry Sombinaina
Mihetseha ry sombinaina
ho mari-pamantarana fa monina ao ianao
Ho mirana ny saina
raha misy marika avy hatrany henoko eto izao.
Mihetseha moa mihetseha
fa fifaliana mamy ny fananako anao,
efa maika aho ny hihomehy
te hitsikitsiky, ka mihetseha izao.
Mamy kely, sarobidy
tian'ny foko ho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nanenenako | NANENENAKO | Fredy Jaofera | NANENENAKO
Nanenenako
ny nanorenako
ireny faniriana
tany mangina.
Nanenenako
ny nanarenako
ny disadisa be
tany ka ory re.
Nanenenako
ny nifantenako
ny toky nilaina
tany ka maina.
Nanenenako
ny niverenako
tsy hay fefena
ka eto babena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/na-tsy-taratra | NA TSY TARATRA | Fredy Jaofera | NA TSY TARATRA
Na tsy taratra
sy efa tsy tsaroako
rehefa any milalao,
misy zavatra
mitazona ny foko
hitepo foana anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/tsimbadiky-ny-fiainana | Tsimbadiky ny fiainana | Heriarilala Andriamamonjy | Tsimbadiky ny fiainana
Fahiny indrindra, hono, Ravorona mahery
nirehareha fatratra ka nihinana ny kely
ny vitsika tsaingohiny, tsy misy ankitsetra
izy ange matanjaka ka tia nisetrasetra.
Ilaina koa ny homana rehefa mamelon-tena
ka ny maharary ny hafa odiany tsy jerena,
na iza sendra azy dia somparany eny foana,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/feno-hasambarana | Feno Hasambarana | Heriarilala Andriamamonjy | Feno Hasambarana
Feno Hasambarana ny foko tojo anao
Mianoka fiadanana sy faly tsotra izao
An-taona maromaro no naniry anao ho fananana
Nahazo anao ho aro, nahazo anao ho namana.
Izaho ianao tiavina sady efa mitia
Soa fa tsy nolavina fa dia nekeko akia
Mamy sarobidy tsy azo nosandaina
Ianao tena safidy, mamy sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/nandao | Nandao ? | Heriarilala Andriamamonjy | Nandao ?
andao ve ilay sombiniaina
nantenaina ho fifaliana
Toa tsy hisy ny maraina
velona ny hakiviana...
Mbola te hanantena
ity foko te ho reny
Ny zava-misy mampivena
ho nofy ihany izany ireny.
Moa hitrotro sy hibaby
ity olona mijaly
fa he nilofika sahady
ilay nirina hampifaly.
Indrisy re ry sombiniaina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nila | TSY NILA | Fredy Jaofera | TSY NILA
Tsy nila ahy
ianao
hatramin'izay
ka tsy fanahy
eto izao
ny hifandray. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ady-an-trano | Ady an-trano | Nosy Malala | Ady an-trano,
Tandremo tadremo aza varimbariana,
Antso ihany ity fa tsy zavatra irina,
Jerijereo sy diniho hatrany,
Ireo ady an-trano misy any ho any.
Roapolo taona ny tany Sierra leone,
Resaka diamondra efa ho amin’ny taonina.
Soudan, Myanmar, Yémen....ankehitriny,
Mbola ady mafy, tena mangirifiry.
Analina, a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/hanana | Hanana ? | Heriarilala Andriamamonjy | Hanana ?
Misy kibo miandrandra,
te hitondra sombinaina
Mba te hitondra tsy mihamba
Efa ela nitaraina.
Nanahy mafy teny foana
sao tsy hanana mpandimby
Raha avy ny fotoana
Moa hahay hisafidy ?
Horaisina ilay sarobidy
hitia irery sa hana-namana
Moa hitondra izany adidy
Ilay olona nahafaha-nanana ?
Misy kibo m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/aina-entiko | Aina entiko | Heriarilala Andriamamonjy | Aina entiko
Aina mitondra aina
Tsy takatry ny saina
ny fahaizan'ny Mpahary,
lehibe sy lavorary.
Ny foko tsy hiofo
fa vonona hiampofo
an'ilay zaza tiana
fa ela naniriana.
Sahy ka tsy handà,
fa mikoriana anaty ra
ny fitiavana ny zanako
toaviko fa anjarako.
Aina no kenaina
irina sy andrandraina
mba ho tonga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tavela | TAVELA | Fredy Jaofera | TAVELA
Ilay fitia tavela
no sisa ananana,
tsy mivadi-dela
rehefa notanana.
Ilay kalo tavela
no sisa vetsoina
ka tsy afa-bela
ny tsy hadinoina.
Ilay nofy tavela
no sisa tsaroana
fa hatry ny ela
ny fikolokoloana.
Ilay toky tavela
no sisa itsikiana,
na dia mamela
ny fitomaniana ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/izy-roa-kely | Izy roa kely | AZRAEL | Ireny indray fa miaraka
Hitsangatsangana any ho any
Izy roa kely...
Toa nofy izany hisaraka
F'isan'andro foana hatrany
Dia volana tantely...
Ny renirano mikoriana
Sy ny fisasasasan-driana
No alehan'ny vinaniny...
Fa ny anilan'ilay tiany
Ilay maminy indrindra
No nofisiny isan-kalina!!!
Fahafinaretana ho azy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/samaritana | Samaritana | Nosy Malala | Samaritana,
Maromaro tato ho ato ireo samaritana,
Mandray andraikitra, miaro ny aradalàna.
Mijoro, mahasahy, mitaky ny rariny,
ampahibemaso no ampahafantariny.
Miasa avy hatrany fa tsy lava resaka,
Ny vahaolana ny azy toa mipetrapetraka,
Toy ny maherifo amin’ny horonan-tsary,
Vonjy aina no fetra ka tsy lava taf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandrantosoa-leprof/miandry-anao | Miandry anao | Mandrantosoa LeProf | Tena miandry fatratra ny fahatongavanao ny eto ankehitriny.
Ny reninao moa io efa tena tsindrin-daona fa tapitra vidiny
Izay zavatra mba tazany eny rehetra eny,
ka hoe an-jazakely.
Omaly izao zahay dia nitety magazay tetsy sy teroa,
Dia mbola tsy afa-po;
Fa androany indray, nanokatra finday, dia nisavasava tao
a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hijinja-ny-fiainana | HIJINJA NY FIAINANA | Fredy Jaofera | HIJINJA NY FIAINANA
Hijinja ny fiainana
izay nafafy ianao
rehefa ela ny ela ;
ny fanaintainana,
hitoetra ka lanjao
fa tsy hamela !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahomby | MAHOMBY | Fredy Jaofera | MAHOMBY
Ny olona mahomby
dia mianatra amin'ny hadisoany
ary manandrana hafa indray ;
ngeza toy ny omby
itony fahasambarany sy soany
ary ny hafaliany tena ranoray. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanaperana/tiana-%C3%B4 | Tiana Ô! | Fanaperana | Tiana ô!
Aza misy hanafenina amiko
Aleo mba ho fantatro hatramin'izay tena miafina indrindra
Na ilay ianao mitsiky ao ambadiky ny ranomaso
Na ilay ianao mody mafy fa mila ho lavon'ny akaso
Aleo mba ho hitako daholo hatramin'ny bitika indrindra
Na ilay ianao miantso vonjy amin'ny feo iva dia iva
Na ilay ianao mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/derao-ny-avo | DERAO, NY AVO ! | Fredy Jaofera | DERAO, NY AVO !
Derao, Ny Avo,
no hafatra isan'andro
dia ho ravoravo
vao misy masoandro.
Derao, Ny Avo,
amin'ny hira fiderana
dia ny ho lavo
tsy hisy fa norarana.
Derao, Ny Avo,
amin'ny vavaka irina
dia tsy ho mavo
fa hahazo fitahiana.
Derao, Ny Avo,
amin'ny saotra foana,
ny nanjavozavo
hazava be manolo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-zava-drehetra | NY ZAVA-DREHETRA | Fredy Jaofera | NY ZAVA-DREHETRA
Ny zava-drehetra,
miresaka amiko
ny momba anao
ka ory tsisy fetra,
na dia nalamiko
ho tsiky sy lalao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/poli-ntsika | POLI-NTSIKA | Ravo | POLI-NTSIKA
tantara zary nofy,
nofy tsy tanteraka,
zary lasa gadra
mety ho voavahan-dresaka.
ny nofy manko vina,
ka na anaty sakana,
dia hisy ny any aoriana
hisehoan'ny fisandratana.
manko isika tsy nihaona,
tsy nanan-tana-mifandray
no novain'ny fotoana
ho tantara hafa indray;
kanefa isika raha miaraka ...... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandrantosoa-leprof/aza-mifosa | Aza mifosa | Mandrantosoa LeProf | Raha misy tsy tiana dia aleo miresaka
Fa aza mba zatra mifosa an-damosina.
Raha misy ny zava-maharary, mamesatra,
Lazao ahy aty fa aza fonofonosina.
Raha misy ny zava-mandona ny fo,
Mety mahatezitra sady mandrangitra
Aleo mifanatona foana mialohan'
Ny hihainoana izay resaka any ambadimbadika.
Izay zava-mahasoso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/ny-avonavona-ve | Ny Avonavona ve ? | RODER | Ny avonavona ve no hitarika,
Sa ny fo manetry no hahasoa?
Indraindray isika toa variana,
Mitady hiseho, nefa tsy mahafoy.
Ny teny mipaka avy am-bava,
Mety ho vato manindry havana.
Ny fijery avo tsy amin’ny fotoana,
Mety hanapotika ny fihavanana.
Fa raha mba mandefitra kely,
Manaja, mihaino, tsy manilika,
Ny o... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/baiboly-mivelatra | BAIBOLY MIVELATRA | Fredy Jaofera | BAIBOLY MIVELATRA
Baiboly mivelatra
ny fiainantsika
tena mba sehatra
mahasariaka.
Baiboly mivelatra
ny mifankatia
raha miantehatra
aminy ny dia.
Baiboly mivelatra
ny fihavanana
tsy hamohehatra
ilay fiadanana.
Baiboly mivelatra
ianao mihitsy
mety ho tselatra
tonga hanitsy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahatokisan-tena-2 | FAHATOKISAN-TENA | Fredy Jaofera | FAHATOKISAN-TENA
Aza manao ny mihoatra
amin'ny kiry izay misesy
hahazoana fandresena
fa ireo ezaka be loatra
dia tsy afaka handresy
ny fahatokisan-tena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/tiany-ianao | TIANY IANAO | Ravo | TIANY IANAO
nisy tanana iray
nandray ny anao sy namihina,
tokim-piainanao ho tsara,
nitondra ho ambony alitara.
misy tanana isan'andro
miasa sy sasatra ho anao,
mahatsapa anao ho ankohonana
ka tsy mihevitra anao ho olana.
Fa misy sandry roa miampatra
ka ireo tanany voafantsika,
ireo tongony ihany koa toa iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ray-o | RAY O ! | Fredy Jaofera | RAY O !
Omeo fiarovana
ara-pitia aho
hahatsiarovana
tsiky vaovao.
Omeo fiarovana
ara-tsaky aho
f'efa nolalovana
ny tsisy, zahao.
Omeo fiarovana
ara-tsaina aho
fa fadiranovana
fony be raorao.
Omeo fiarovana
ara-bola aho
tsy ho torovana
amin'ny atao.
Amen !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandrantosoa-leprof/ny-antonito-fiainana | Ny anton'ito fiainana | Mandrantosoa LeProf | Matetika andalovana ny tena zava-tsarotra,
Zava-manahirana mahatonga asa saina ;
Dia iny ianao mandinika, toa te hiady varotra,
Mahateny mihitsy fa mangidy hay ny miaina.
Variana ianao mijery ny atsy ambadika milamina,
Ny vola, ny harena, mitobaka aok'izany.
Ianao anefa ity anaty fahantrana lalina,
Na hanina ind... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/tadidio-fa-tiako-ianao | TADIDIO FA TIAKO IANAO | Elysé Azrael | N'inon'inona hiseho
Sy zava-baovao
Mety hitranga rehefa avy eo
Dia tadidio fa tiako ianao,
Tadidio fa tiako ianao
Na dia ninia tsy nahatsapa
Ilay fitia tanaty tao
Ilay fitia latsa-paka
Ka raha handao ianao rahampitso,
Fa voky tokin'olon-kafa, k'hitia azy sady hino,
Nefa ho sendra ny mangitsohitso
Dia tadidio... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-mdk/alina-mangina | ALINA MANGINA | Hary MDK | Ry alina mangina
Tsinjovy ilay malalako
Fa hatory izy izao
Ka homeho hafanahana
Ny vatany rakofo lamba
Aoka ny hatsiaka
Tsy hikasoka ny vatany
Na dia iray segondra monja
Fa tiako izy iny
Ka tsy tiako ho farofy
Ka aoka reha ny moka
Hanalavitra azy mandifitr’olona
Ry alina mangina
Harovy izy iny
Hembeno tsa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiainam-boky | NY FIAINAM-BOKY | Fredy Jaofera | NY FIAINAM-BOKY
Ny fiainam-boky
dia toy iny zoky
mitarika hahay
no hafatra iray.
Ny fiainam-boky
dia ilay mamoky
ny saina hahazo
ny soa ka fafazo.
Ny fiainam-boky
dia manan-toky
feno fahendrena
azontsika ekena.
Ny fiainam-boky
dia izao, ry roky,
oram-pahalalana
misy fahazavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vavaka-ve | NY VAVAKA VE ? | Fredy Jaofera | NY VAVAKA VE ?
Ny vavaka no manokatra
ny varavarana rehetra
vao indro hitera-bokatra
ny faniriana sy tigetra.
Ny vavaka no manokatra
ny lamin-tsaina tony
vao indro ho hita soratra
ny fiderana ambony.
Ny vavaka no manokatra
ny fiadanana tokoa
vao indro hisaotra, ohatra,
fa dia nahazo soa.
Ny vavaka no manok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/mamy-kely | MAMY KELY | Ravo | mamy kely
ilay tsikitsiky
zary tafatafa,
no tena safosafo
tsy iombonana amin'ny hafa
- io no teny mamy -
zaraiko ho anao androany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/marary-maso | MARARY MASO | Fredy Jaofera | MARARY MASO
Tsy mitomany aho
fa marary maso,
ry tiako ;
izany re ka andao
fa ireny an-kaso,
nijaliako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misento | MISENTO | Fredy Jaofera | MISENTO
Ny fo misento
dia tsy manana
izay tadiaviny ;
ry ora !...Ento
ho fiadanana
ny hoaviny ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/co-ia-iavotriniaina/mikolo | MIKOLO | Co-ia Iavotriniaina | Mikolo
Mikolo Ilay nikendry ny soan'ny fireneny!
Izy Ilay nilaza hoe:" raha maty aty aho NENY Dia ho an'ny Tanindrazana".
Izy ilay nijoro fa, tsy fotsiny nitazana.
Leo ny rano tsisy sy ny jiro tapatapaka,
Mafy ny fianarana, fa ny harapaka androany, tadiavina rahapitso.
Manaintaina ny vatany, kanefa manantena,
Fa... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.