url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/sampanana-1
Sampanana
mahorani
SAMPANANA Tsy voatery foana hoe, tsy maintsy ho tafara-dalana; Satria mino mihitsy aho, fa eto angamba ilay sampanana; Izay tsy ahafahana manoatra, ka tsy maintsy isarahana! Fa ianao mety hiankavia, ary izaho mety hiankavanana! Fa ny lalantsika ety, efa voafaritra mialoha: Toy ny kotroka mitrena, izay manombana n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ange-raberson/ho-anao-1
Ho anao!
Ange Raberson
Indrisy mantsy fa lò ilay fitia Izay nokasaina fa ho mandrakizay doria Noravaina fa hoe tsy mety intsony Ilay fitiavana namoa toa nitony Noravaina fa hoe tsy tsara Ilay fitia voazara Aleo faranana hoy ianao Ka inona moa ny azoko atao Mahatsiaro ny lasa aho indraindray Ny lasa vitantsika hatrizay Izay irinao h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/nantenainy
Nantenainy
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
NANTENAINY Dia iny leisy ilay Zavavy Fa efa matin -tondro -molotra Sy ny latsam -pianakavy hoe :"manan -janaka amin'ialahy !" Dia iny leisy ilay Zavavy Fa efa toy ny fara -idiny Sy resy samy Vehivavy: Matin'avon'anadahy ! Dia iny leisy ilay malala naharevo an'ialahy a ! Fa toy ny efa lasa adala Vao mitsara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ny-zanakolona
Ny zanak'olona
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
NY ZANAK'OLONA Raha mba mamy ihany Zandry Ny fiarahana hatrizay Sy ny antony ifankatiavana; Ary raha mba tian'ise Ny hampanara -dia anay Hilahatra, hitandavana, Na irian'ise hananana Ny fahatsiarovana an'i FENO Dia izao bedibedy izao No ataovy folo an -tanana: "N'inona n'inona adilahy Sy fifamaliana kely A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hafatra-fanampiny
Hafatra fanampiny
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
HAFATRA FANAMPINY Ary rehefa hitia, Fadio ny maka tahaka ! Fadio ny mieritreritra Handia ny lala -maosin' Ny namanao nitia; Ialao ny fahazarana Manao dika vilana Ny Hasambaran' Olona : TANDREMO SOMBINAIKO ! Fa io Fitiavana io, Tsy azo atao Tsinajery Satria TSY RAIKIPOHY, Ka 'ndeha dia manorena... Forony n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/hatraminizay
Hatramin.izay.....
Ny Hasina Heritiana
Hatramin'izay........ Hatramin'izay nahalalako anao, Dia tsapako ho hafa ny fitempon'ny foko; Toa nifoha indray , nahazo aina vao; Toa taitra fa injao ny fitiavanao nisoko. Fitiavana, io ilay fanafody mamy; hantenaiko avy aminao ry tiako; Hanasitrana ity foko rakotra tomany; Ka io fitiavana io no andry hitokiak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa-m/madagasikara-2
Madagasikara
Rasoa M
Izany foana no ao am-bava Ratsy ve sa tsara Ilay Madagasikara Ilay tany fihaviana Tanindrazana izay tiana Tsy entam-barotra tsy akory Ilay nosy tanindrazantsika Fa tany iray mitoetra Miandry antsika rehetra Ilay fiteny malagasy Ahafahana milaza N'inona n'inona ambara Na am-bava na an-tsoratra Dia teny mamy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/aloka-2
Aloka
Ryana
ALOKA Izaho angaha no adala, mandreraka ny saiko, Aloka miserana ka hita ho antenaina... Izaho no tonantonana, mamizana ny aiko, Vorona mandalo ka hita ho andrandraina! Izaho no reraky ny ankaso sy tomany, Sendra izato lalany indray andro izay, Tsy nila fandalinana fa dia tia avy hatrany, Hay moa aloka izy : mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/zakilinina-sy-didintsokina
Zakilinina sy didintsokina
DadaRabe
ZAKILININA SY DIDINTSOKINA Zakilinina sy Didintsokina : Ny iray matavy, ny iray bebokona, Tratra nitsindroka voamadilo, Voasazy nipetraka tam'tsilo ! Zakilinina mpatsaka rano, Mody nitokona tao an-trano ; Didintsokina mpitoto vary, Mody nilaza fa hoe marary ; K'hay tao ambadiky ny garazy, Nanao sarintsarina m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/izy-angamba-any
Izy angamba any...
DadaRabe
IZY ANGAMBA ANY… Izy angamba any mitazan’iny lanitra Tsy mety fa miharitra, Mibanjina tsy miato iny volan’iny Na sendran’hirifiry… Na alina mangina na koa somambisamby… Manofy tsy ho lany ! Izy angamba any ! am-baravaran-kely, Tsy sasatra mijery Ny rahona misosa sy vorona mandalo, Angamba koa mikalo Ka revo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/ataoko-toy-ny-hoe
Ataoko toy ny hoe...
DadaRabe
ATAOKO TOY NY HOE… Ataoko toy ny lasa ny ora niarahantsika, Ataoko toy ny zahatra nidify teny am-pita, Ataoko toy ny fefy tsy azo intsony hihoarana, Ataoko toy ny lalana nanjary toa fiakarana. Ataoko toy ny taona tsy hiverina intsony, Ataoko toy ny hazo nitsahatra namony, Ataoko toy ny rano niraraka an-tany, At...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotozandriny-mamy-alain/ny-lasa-1
ny lasa
RAKOTOZANDRINY Mamy Alain
Ny lasa efa dify nindaosin'ny taona Tsy azo antenaina hiverina intsony Nefa ny ratrany mamela saona , Tsy voakosiky ny andro tsy mety mitony. Ilay dian-tanàny mamela sary, sy fery anaty, zay manaintaina. Ilay efa tsy hita ,nefa io miharihary, mitamberina foana ao anatin'ny saina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/tsy-ho-tsiniko
Tsy ho tsiniko
Tsilaitra
TSY HO TSINIKO Angamba tsy ho tsiniko Raha mody adinodinoko 'Lay faha-folo amin'ny didy Fa zaho tsy nahatadidy Ianao dia vadin'olona Nefa sahy mitonona Ho mpitovo ka mizaha Dia zaho 'lay mody adala Minia tsy mahalala Ka roboka tsinahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefa/didy-jadona
Didy jadona
MAHEFA
JADONA NY DIDY MIVOAKA AVY AO ANATIKO TIA ANAO AHO ARY MANDRAPAHAFATIKO!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randjy/tiako-nefa-alako
Tiako nefa alako
randjy
Velon-tsento ny fanahiko Oriory izany foko Te hitraotra te hiady Te hikiaka fahafahana Te hiira fandresena Te hitendry fifalina Te hamono fanavahana Te ho tezitra amin’ny razana. Fa ny tsiky novoleko Ny fanahiko tontolo Izay nomeko anao rahavako Tao anatin’ny fitiavako Zary varatra sy ozona Latsa ,kapoaka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randjy/raha-fantatrao-mantsy
Raha fantatrao mantsy
randjy
ILAY FODIAKO HARIVARIVA VARIAN-DRESAKA TSY NAHY MASOANDRO MODY IVAIVA AHABEDY AHY R’INGAHY. ILAY FOTOANA SENDRA TARA MISY ASA TSY MBA VITA NISY NAMANA ELA TSY HITA NAHABEDY AHY KOA. ILAY TANTARA EFA VITA TADIAVINAO HODIAN-TSY HITA MBA SENDAOTRA AHO KA HIALA ; KANJO …BEDIN’NY FITIAVAKO AHO.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/saina-voagadra
Saina voagadra
Tsilaitra
SAINA VOAGADRA Firifiry moa reo olona Niasa sy nitolona Ho Anao ry Tanindrazana Kanefa lasa razana ? Aiza ireo Mahery fo Nanao zay hahasoa Anao ry Tany mamy ? Nalatsa-dra noniafarany Izany rehetra izany Aoka hibaribary Ho hita miharihary Dia vandana eo zay kary Kanefa mampangoraka Fa ts’isy sahy mamboraka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/tsy-nampoizina
TSY NAMPOIZINA
Tsilaitra
TSY NAMPOIZINA Teny toa mananihany Tany ho any Zay natao. Teny vazivazy koa Kanefa nampifoha Ny fonao Ka nanintona avy hatrany Mba ho tamy Dia hifahatra. Saingy indrisy tojo adala Mpanadala Dia nanjahatra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa-m/ny-atao-hoe-fitia
Ny atao hoe fitia
Rasoa M
Maro ny teny ahafaha-milaza Ny dikan'ny teny atao hoe fitia Saro-patarina sy lalina antsaina Ka mahaiza mijery sy mankafy Tiavo amin'ny herin'ny tena fitia Aza ankalaina raha sendra mania Fa ny heloka ataony aminao sanatria Tsy midika mihintsy hoe izy tsy tia Raha saro-piaro ianao na ilay izy Dia fantaro fa te...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavanah/rova-ankehitriny
Rova ankehitriny
Zavanah
Rova ankehitriny (4 marsa 2004) Aiza moa ny Gasy no hitraka, Ny mijery eny ambony eny izao mandratra Aleony miondrika na dia be manaiky lava Fa i Manjakamiadana ilay trano avo indrindra efa rava Ontsa ny fo, torotoro Fa rindrim-bato telo no sisa mijoro Ô ry Rova ilay reharehanay fahiny Indrisy fa tanàna haolo a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa-m/azo-tokana
Azo tokana
Rasoa M
Raha ny azo no mba tokana Eto anivon'ity faritra Izay maina karakaina Tsy ampy rano ka mangaina Raha mahita ireto rahona Toa mandalo tsy milatsaka Dia lazaina fa hazo manirery Tsy mba misy iray mijery Dia lazaina fa hazo tsy mba ala Ka ianao no ankahala Nefa feno fitiavana Ary mbola manantena Toy izany ry M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randjy/embona-1
Embona
randjy
Na mbola tsy hitako aza ianao , Fa ny angolam-peonao Amin’ny antso an-tarobia , Dia efa nambabo sahady ity foko te ho tia . Eny na dia lavitra aza ianao Any ambadika tsy tazana , Lasa embona aho androany Mba hamaky ny vinany ,ka hanandrana hitazana . Fa ny andro iavianao Toa tsy andriko intsony , Angamb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/fampieritreretana
Fampieritreretana
Tsilaitra
FAMPIERITRERETANA Aminay lehilahy, matoa zahay sahy Mitonona ho tia, mazava 'zay ny dia Ny hany faniriana, tokana aman-tany : « Hianoka ny mamy eo ambonin’ny fandriana » Rehefa eny an-dalana eny, na mody tsy miteny Ny maso tsy mipia raha tsy avy nankafia Tony bika tsara tefy Ka nofy aloha lay : hoe hiodina an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-asy-camille/ary-raha-averina
Ary raha averina ?
Ny Asy Camille
Ianao mitaky raha mitady taratasy atontan-tsary mahandrasa kely azafady ny hamerina azy mankarary ny anao kay moa nampindramina? mpamerin-doha aho, tsy tompony? raha mbola misy ny azo halamina lazao hoe inona no tokony ? Hilaza ary hoe mba avereno ireo safo sy oroka sy ny etsetra izay hevitrao hoe mba teneno...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofondrandimby/andronny-mpifankatia
Andron\'ny mpifankatia
Solofondrandimby
Vao maraina dia tazako ny Lanitra: Nahafinaritra ery! tsy nanam-paharoa! Ny voron-kely no nihira hoe \"Salanitra! Mifohaza fa ny \"Androtsika Roa\" mifoha.\" Tena jambena mihitsy ny Maso, Tena nangorakoraka sy tofoka ny Fo, Ny Fanahy dia feno tebiteby ihany koa. Faly sa tomany? tsy hay \'zay nahazo. Ravehivavy,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/tena-aminny-foko
Tena amin'ny foko
ny eja
tia amin'ny fo Te ahita anao aho, iriko tsy ho ela, fa vetivety ihany; Dia ho anao aho, hitondra tambitamby ,fitia tsy lany mamy satria ho anao aho, ka izay sitrakao, ekeko mba ho to Fa tia anao aho, tena amin'ny foko marina tokoa! Eny ho anao aho, ianao ilay nofisiko an'efitro mangina K'ilay sarinao ho ahy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrakens/fitia-afakely
Fitia hafa kely
Fetrakens
Fitia hafa kely no nitiavanao ahy zary fitiavan-jazakely ka mampiahiahy eo ianao milaza fa tena tia avy eo ianao dia lasa adino ny fitia Heverinao angaha fa ny fitiavako dia omeko anao satria ianao no iza? Io dia ahy irery ka tsy omeko an'iza n'iza! Sambatra tokoa mantsy aho mitsinjo ny hoaviko Indrindra fa ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-asy-camille/tsiky-1
tsiky
Ny Asy Camille
raha sendra ny ngidin'ny fiainana an-tany raha sendra ny tiana no nandao lavitra any raha toa sesehena ny zava-tsy tanty andramo kely fa tsiky dia ampy raha sendra tsy rariny na tsindry hazolena na mampahonena aza ity firenena f'izay itopian'ny maso toa mampahonena asio tsiky kely,ny ampitso jerena raha sendra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avotra/mitsikia-mitraka
Mitsikia? mitraka
Avotra
mitsikia ry voninkazo, mitrakà fa aza malazo aza milofika intsony fa ny rivotra efa tony na tafiotra na avandra, dia izao no ataoko anao meteza hibanjina hiandrandra, ilay masoandro vaovao raha misy fo mijaly, ka mitady hamoifo mitsangana, ndao hifaly, hiremby izay mba mahasoa aza manaiky ny ho kivy, na hitomany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/teny-mamy
Teny mamy
ny eja
Teny mamy ireo teny mamy nolazaiko mba hanambitamby anao, Matokisa sombiniaiko; Fa tsy miova hatramin'izao Ny hatezerako ombieny nankararirary fo, Aza raisinao ireny Aoka hivalona avokoa Fa ianao irery no ilaiko, Ianao ilay nofinidy Mahay mandamina ny saiko Diamondra sarobidy Raha misy ny adalako Fa olomb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/hatraminny-nahalalako-anao
Hatramin'ny nahalalako anao
DadaRabe
HATRAMIN’NY NAHALALAKO ANAO ! Hatramin’ny nahalalako anao… Dia niova ny tontoloko, niova ny marainako ; Niova ny fisainako, niova koa ny fiainako ; Niova ny angolako s’ireny tambitambiko ; Niova ny masoandro sy ny endriky ny lanitro ; Niova ihany koa ireo voahary nojereko ; Niova ny lalàna sy ny didy izay nekeko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/lasitra-iray
Lasitra iray
ny eja
Raha mirana ianao, Mifaly aho ato anatiko Ny fahorianao, Nanjary toa tsy tantiko Ny tebitebinao Nanindrona ny aiko Izay tsy tianao, nanjary tsy nilaiko. Raha misy mahazo anao mifendro aho mitoloko, Raha mitomany ianao, izaho mifokofoko Dia lasitra iray ihany ny fiainantsika roa Na tsiky na tomany nirais...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/eo-anilanao
Eo anilanao
aladin
Toerana iray izay mamiko indrindra Mahatonga ny alahelo rehetra hisinda Toerana mamy tsy ataoko hankalao Tsy aiza izany fa EO ANILANAO Ny ahiahy rehetra sy ny adin-tsaina Na ireo ratram-po izay nampitaraina Ho foana tsy hisy manombok'izao Satria fialofako ny EO ANILANAO Ireo fifaliana sy firavaoravoana Ireo an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-miray/ranomaso
Ranomaso
Ny Miray
satriko ny ho ranomaso, hikoriana hatreo imasonao, ary hiafara eo imolotrao, ireo molotrao tiako raha sendra ny milaza hoe, "tiako ianao"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avotra/fisarahana-1
Fisarahana
Avotra
Tonga angamba ny fotoana, hilazako aminao fa ny fitiavako tsy foana, tsy mbola niova hatr'izao eny mafy tena mafy, raha ny nentiko hatr'izay ankehitriny aho ho sahy, hanao dingana iray ireto andalana ireto, ataovy fahatsiarovana ahy eto am-panoratana aho no misento, sady resy no mangahiahy mbola averiko indray ar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanilla/iny-ranomasina-iny
Iny ranomasina iny
Régis Rajemisa-Raolison
Mangoratsaka ny volam-penomanana, Mavamavana ny tany ianjadiany, Indro kosa fa ny foko miantsinanana, Manin-dava iny Ranomasina iny! Eny manko, ry nambabo 'zany foko, Fenomanana mangasohaso loatra Ty hariva mahamanina misoko Ka tsy tanako ny saiko fa mitroatra. Toa tsaroako vao omaly eny! Indrisy! Lay harivan-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/satria-tiako-ianao
Satria tiako ianao!
ny eja
satria tiako ianao! raha manina ahy hono ianao, ka lasalasa ny fisainana ireo teny mamiko iainana ilay teny kely fantatrao teny tsotra:"tiako ianao" Dia raha misy any ho any hafa sahy milaza toa izany izaho anie ka tsy manahy fa tsy mitovy velively ilay fatran'ny "fitia" izay mety atolony sy ny ahy! Fa na d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/ny-fitiavako-azy
Ny fitiavako azy
aladin
Raha ny fitiavako azy Mahery, tsy mba hay tohaina Tsy hoe akory vazivazy Fa tia na diahoe hamoizan'aina Raha ny fitiavako azy Tsy haiko hadinoina indrisy Fa ity foko toa voasazy Ka manantena ny tsy misy Raha ny fitiavako azy Namela ratra, aretim-po Satria nanjary rava ho'azy Ilay nofinofinay roa Fa ireo le...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/iny-olo-tiako-iny
Iny Olo- tiako iny...
ny eja
Iny Olo tiako iny... Andriamanitra ô, Iny olo tiako iny... mba tahio koa any, Ka ilay vavaka iriny ho tanteraka hatrany! ombao izay ataony, mba tsy hisy tsiny Dia topazo maso ireo hava-tiany Ny ampitso sy ny ho aviny, Rakofanao ny soa, Fa na ny tsikiko aza, Foiko ho azy koa!.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/efa-fantatrao
Efa fantatrao
DadaRabe
…EFA FANTATRAO …Efa fantatrao, f'ianao no antom-piainako Mamin'ny fisainako, K'izay rehetra ahy dia efa nomeko anao Foiko tsotra izao, Satria hatram'izao dia tsy hisy intsony Na dia kely akory, Ny afaka hisompatra 'ty foko efa tia… Mitepo anao doria. …Efa tsapanao, am-ponao tena lalina, Tsy sarotra fantarina,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/angamba-2
Angamba...
Tsikiko
Mbola ho avy ihany angamba ilay olona antenaiko Amin'izay andro izay mety ho mirana ny saiko Ny nofiko ho tanteraka ? ny heritreritro ve ho to ? asa... hifoha ho tonga vao ilay fitiavana taloha Mbola hiverina ihany angamba ilay olona tiako Amin'izay andro izay hotanteraka ny faniriako ? Tsy hangina intsony ve ? n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kalon-janaka
Kalon-janaka
Fredy Jaofera
(Atolotro an-dreniko eny Manjaka) Henonao ve ny tsaitsaikako, ry Neny, Miantso mora mba hifoha Fa fetinao anio raha malahelo ombieny, Na tsy afaka avy hamoha ? Henonao ve ny bitsibitsiko, ry Neny, Tonga hitondra ny arahaba Fa fetinao anio ka oriory lavareny Raha tsy te handre kotaba ? Henonao ve ny sentosentok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hono-hoaho
Hono ho'aho
Fredy Jaofera
Moa ve tsapanao izay zavatra mba tsapako ? Moa ve mba ianao no hanasitrana ny ratrako ? Fa tebiteby etoana sy ahiahiko tsy miery Raha toa ka manontany sy lasa saina irery ? Moa ve tsaroanao izay zavatra tsaroako ? Moa ve mba ianao no hahasambatra ny foko ? Fa ny fenitra rehetra tsy sarobidy tamiko Niova dia nito...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara-andriamamonjy/ianao-4
Ianao
Fara Andriamamonjy
Ianao no tiako hitoetra ao anatiko Ianao Tompo ô no tiako hanapaka ny foko Aza avela hisy re hibahan-toerana ao Foiko manontolo ho Anao ny fo, anjakao Tsy ny fiadananao ihany re no ilaiko Tsy fitahiana koa, tsy izany no andrandraiko Fa Ianao mihitsy Ilay Zanaka Fanahy Ianao manontolo Tompo ô, Ianao no tiako ho a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/andray
Andray !
Tsikiko
Andray re ry foko tsy mba manadino Andray izany saiko voatondraka ilo Ny fisainako lalina toa tsy miteny Ny maso mahitako, mirenireny ; Ny sofi-mandre ? Toa tsy hita antenaina Ny vava-miteny, indrisy malaina ! Fa dia inona loatra no hananan'izy iny ? Fa dia nanao ahoana izany fahiny ? Fa nahoana ? Hono hoy aho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/tsy-maninona-1
Tsy maninona
Tsikiko
Tsy maninona kay izay zavatra miseho, Na tsara io na ratsy, isika miaina rahateo, Hiaina foana tsinona n'inon'inona mitranga, Tsy aleo ve miaina tsara ? tsy mamela banga hitoetra eo amin'ny fiainana, fenoy fitiavana ny tsy ampy, fenoy fanantenana sy avana ny tsikinao, ny fahamirananao, ny hehinao irery tsy ho ve...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/jesosy
Jesosy
Tsikiko
Fotoana vitsy monja izay no lasana sahady Vitsy hoy aho satria maro loatra raha ny ady no hotanisaiko eto, amin'ny diam-peniko io Fotoana vitsy monja... Nosaloran'ny tadio... Toa nisafotofoto, nitondra sy nandrava ilay rivotra mahery, nitady tsy hisava Nampivadibadika ny foko, nanimba, mampijaly Namono ny fanant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahalelo-anao
Mahalelo anao
Fredy Jaofera
Malomaloka ny ety Ambohipanja Ka tsy vita izay tokony hatao; Ny fiainako no tsy ampy lanja Fa ‘zany foko no lavitra anao. ‘Reo andro mikotroka lava, Mangeja no sady misaona; Ny foko tsy mahita mazava, Maniry na te ho any foana. ‘Reo vorona mody miery, Mihira no mba mikorana ; F’izaho no singany irery, Fa tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara-andriamamonjy/loharanonaina
Loharanon'aina
Fara Andriamamonjy
Eto amin’izao tontolo izao no ahitana fahoriana satana fahavalo koa miasa foana tsy mangina manakivy, mampahory, mampijaly, mampisento izany foana no ataony raha toa ka mbola eto fahoriana sesehena no nandrerahany ny fo torotoro, montsamontsana noho ny sento sy toloko manafotra ny aiko ireo toloko sy adin-tsaina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/ny-foko-2
Ny foko...
Tsikiko
Ny foko ry Jesosy, Anao irery tsy an'olona Aza avela hisy haka, na hiady na hitolona Fa arovinao amin'Ilay tananao mahery Dia ho sambatra aho, eo an-tratranao irery Eo akaikinao no tiako hisy ahy Eo an-tratranao no zara-mamin'ny fanahy Eo an-tsandrinao Jesosy, eo no tiako indrindra Ny tananao mitantana, tsy ho d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/isaky-2-1430
Isaky
Fredy Jaofera
Isaky ny nisy ady mafy nanatrehako ny fiainana, Tsy teo akory ianao Nanampy hitari-dàlana sy mba azo nitarainana Fa naneso,nankalao ! Isaky ny nisy zava-tsarotra nilako vahaolana, Tsy reko akory ianao Fa nitsinjaka aza,na tsy niteny,tsy nivolana No tsapa fa natao. Isaky ny nisy faharesena nitakiako vonjy marina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-foko-sy-ny-fonao
Ny foko sy ny fonao
Fredy Jaofera
Mazava tsy azo takonana, Tsy ravan’izay fialonana, Tsy taitran’izay maso vao Raha ny foko sy ny fonao. Ny Avo no efa nanambatra, Natao hiaraka ho sambatra, Natao hiaraka hiangola, Hitobaka harena sy vola. Ny Anjara no efa nametra Hibaiko ny zava-drehetra Ary hitondra ity tany ity Haneho ilay tena fitia. Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/fo-adaladala
Fo adaladala
Tsikiko
Fo adaladala ! fo malemy tsy ampy saina ? Tsy sahy niteny mafy, na niseho nitaraina Fo mandevona ny lasa, ireo teny izay mandratra toa adinony avokoa, tsy namaly... efa zatra Fo adaladala ! tsy nety fay, mbola mamerina Tsy miraika akory amin'ny fitaka sy nenina Fo mikiry ny hitia, ireo tsy mendrika ny ho tiavina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/matoa-1
Matoa
Fredy Jaofera
Matoa aho mitsiky, Ry tiako sy tsy foiko, Dia mihevitra hanakiky ‘reo ratra toa misoko. Matoa aho miravo, Te hifaly eny hatrany, Dia raketo fa manjavo Ny fiainako eto izany. Matoa aho mihira, Tsy fitia hoe te hikalo, Fa tsaroako toa mivira ‘Reo fotoana nampimalo. Matoa aho mandihy Na te hihetsika tokoa, A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ianao-5
Ianao
Fredy Jaofera
Ianao no mbola voafidy Hianteherana mandrakizay, Koa indro fa saro-bidy ‘reo dina natao fahizay. Ianao no mbola voatendry Hampihaingo ny zava-boahary; Koa ento fa tsara fikendry Ireo toky natao tsy fanary. Ianao no mbola voabaiko Hitondra ny tsiky rehetra, Koa indro fa na dia ny aiko, atolotro atao tarigetra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara-andriamamonjy/folo-taona
Folo taona...
Fara Andriamamonjy
Folo taona izay no lasa, nahitako, natsapako fitsaharana, lovasoa avy aminao Folo taona tena tiako, nifalian’ny fanahiko afa-doza, afak’ota satria teo Ianao Folo taona ihany koa, nisedraina zava-tsarotra, nampirotsaka tomany Eny, folo taona izay lasa... Folo taona tena tiako, niarahantsika namakivaky ity tany I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elie-rajaonarison/namana-6
Namana!
Elie Rajaonarison
Namana! Namako iny ianao rehefa injay mitsiky raha sendra mifanena Namako eny ianao raha toa mamikiviky rehefa injay aho resy voageja an-katerena Namako hono ianao f'isika tsy nahita ny volana niràtra f'isika tsy nandre ny hiran-doharano kanefa tena iray fa nihaona teny ho eny ny foko sy ny anao raha mbola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-aiza
Ho aiza
Fredy Jaofera
Ho aiza ianao ankehitriny Ra’ambara ho manan-tsiny Sy lazaina tsy tafarina, Anjakan’ny tsy marina, Anjakan’ny hotakotaka Sy mianjera anaty fotaka ? Ho aiza ianao ankehitriny Raha efa lasa ny fahiny, Efa niova izay navoaka Ka nahakivy ny vahoaka mba niandrandra fanovana sy saika hiandry fahagagana ? Ho aiza ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izaho-ve-no-adala-2
Izaho ve no adala
Fredy Jaofera
Izaho ve no adala f’efa olona tsy tiana Dia asainy mbola hotiavina Sa iriny ny hampahosa sy ho feno fijaliana Hahazoany izay tadiavina ? Izaho ve no adala f’efa andry tsy antenaina Dia terena mbola hiankinana Sa metimety aminy ny ananan-tebin-tsaina Sy ny tsy hahazo fanambinana ? Izaho ve no adala f’efa aloka n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/mandainga
Mandainga
Tsikiko
Toa nandainga izany foko raha nilaza tsy fitiavana Ninia namerina tsy niato tao an-doha fa fihavanana ihany, no misy amintsika ; tsy misy ankoatra izay Hay nandainga ilay foko, diso paika izy kay Toa namitaka ahy ny saiko nanambara faherezana Mody tsy niraika tamin'ireo sakana, tetezana... Toa faly tamin'ireo voa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vaoarilala-andriantsifanetra-rakotoarijaona/ry-madagasikarako
Ry Madagasikarako
Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona
Ry Madagasikarako! Miarahaba no voalohanteny, Fa tonga ity ny Asaramanitra Ka ny mba faniriana ombieny Dia ny fitahian'Andriamanitra Fanambinana sy fahasoavana Filaminana anatin'ny fifankatiavana Ka mba ho latsampaka amin'ny tsirairay Ilay Madagasikara Iray Fahamarinana no ampinga hiarovantsika ny ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/iny-lalana-iny-mantsy
Iny lalana iny mantsy...
Tsikiko
Iny lalana iny mantsy, raha tadidinao angamba... fandalovantsika izy iny, ny fontsika jamba jamban'ny fitiavana, tsy nisaina izay ho avy fo nitempo hasambarana, tsy narofy, tsy nanavy... Iny lalana iny, raha tsaroanao iky... tamin'iny lalan'iny, nihiranan'ilay tsiky tsikim-pitiavana, tsiky feno fahatsorana nipos...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riviere-andrianantenaina-jean-michael/ny-sasany
Ny sasany
RIVIERE Andrianantenaina Jean Michaël
Misy ny sasany toa tsy mahatsiaro ny androany lasa ka dia manadino tsy mahatadidy ny fiainana nimalo ka dia lasa manao tsinotsino NY SASANY
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanga-hery-laza/fitiavana-5
Fitiavana
Rakotomanga Hery Laza
Fihentsehim-po tsy hay baikona Indro no nameno ny fo sy ny saina Taratra hazavana tsy hay jerena Ianao kotro-baratra ka manantena Avo ka tsy takatro ny heviny Vao mahita anao dia latsaka anaty rembiny Avana maro loko no indro hitako Na aiza na aiza misy ahy dia ny sarinao no eo imasoko Adisoana ve no mitia Hel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ngou/andro-sisa
Andro sisa
ngou
Andro sisa.... toa sembanin-drahona ny fiainako tsy misy masoandro mety hampifoha toa lasa ny heritreritro iza indray ny ho namako nodimandry ianao lasa ka nandao namela ahy ho irery eto an-tany ianao toa lasa irery izaho toa tena very io no lahatr'Andriamanitra fitiavana indrisy irery aho ankehitriny ianao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/ianao-lay-siramamy
Ianao 'lay siramamy
Voromailala
Noaroaroako tsy 'hakijanona Ilay fitivako t'anaty Tsy nety mamy tsy nety vanona Tsy naharitra ela dia maty Ka n' iza n' iza nafangaro Noheveriko hanamamy Tsy naharitr'ela dia "hatsaharo" Hoy aho tamin'izany Tampoka teo..... Hitako ho azy ilay toerana Ary nihakely hatramin'ny tany Raha ianao no hiverenana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/mitia
mitia
Tsilaitra
MITIA Mitia aho satria Ny fitia No ravaky ny dia Arakotra ny fiainana Mitia tsy sanatria Fitia Anariana dia Fa fitia tena iainana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/fitia-antsokosoko
Fitia antsokosoko
Voromailala
Fitiavana mifono Ao anaty tsy mivoaka Kanefa toa mandoro Izato foko ka nitroatra Nofonosina satria bedy Hafenina amin'ny maro Ireo adalana sy rediredy Tsy hay hatao hatsaharo Jery kely izaho sy ianao No mampiaramitempo ny fo Te hanao ny tsy fanao Kanefa miandry kely aloha
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/tsy-hiafiako
Tsy hiafiako
Voromailala
Noh o ny fitiavana matotra No nahatonfa ahy hoy toy ny vero Kanefa toa nitsahina sy nafaotra Ka nangidy toa ranon'afero Mpanjaka angaha moa ianao No manitsakitsaka toy ny mpanositany Manao izany tiana hatao Amin 'reo izay nilefa ho ambany Sao mihevitra ianao ry diso fiadidiana Fa tsy manantsiny toy ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/ilay-hazom-pihavanantsika
Ilay hazom-pihavanantsika
Voromailala
Efa ela no naniry Ilay hazom-pihavanatsika Tonga faka nankadiry Ka tsy handairan'izay riaka Sanatriaviko tokoa Raha izaho no hamono Ilay hazon-tsika roa Mbola lena tsy voadoro Voa mifoha aho ny maraina Dia ny hanondraka azy avy hatrany NO haveriberiko ao antsaina Mba hamoazany ilay zava-mamy Ankehitriny alo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ngou/hambom-poko
Hambom-poko
ngou
Raha izay Nitiavako anao izay Dia tsy hita ho lazaina Fa na dia ho simba aza ny tontolo ..........'Lay fitia dia tsy mba ho maina Tsy hitako anefa Izay mba setriny Tsy nahazo aho Na dia ny am-pahefany Tsy mba nafoinao ho ahy akory Fa nohidinao ny fonao ............Hatory Very ianao, eny very Veloma f'izaho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vaoarilala-andriantsifanetra-rakotoarijaona/iza-moa-ianao
Iza moa ianao?
Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona
Iza moa ianao ry ilay olona iny? No mangata- kalom-pitiavana amin'ny vahiny? Salut hoy ianao etsy ambany Sa koa avelanao aho haminany? Roa anaka,iray no vady ireo no ampinga entiko miady Mankahery ahy indrindra tokoa mba hanondrotra an'i Gasikara ho soa. Iny tononkalo iny va tsy mitory fitiavana? Fit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/tsiambaratelonny-fandresena
Tsiambaratelon'ny fandresena
Voromailala
Ny fanana "Tanjona" eo amin'ny fiainana No torolanana ahitana ny aleha Arahina 'drafitra hatao foto-pisainana Hiforonan'ny lalana afaha-mandeha Koa raiso ny lefona, raiso ny apinga Aza matahotra miana-mamindra Raha toa ka solafaka ka tafajera Mitsangana malaky tohizo ny gera Tsy ny tanjona tratra no sarobidy F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/ilay-rova
Ilay rova
Voromailala
Harivarivan'ny ampitson'alahady Ny teto andrenivohitra tamin'izay Raha tsy ny volana dia mangadihady Ilay lanitra miloko rano iray Kinanjo niova ho mena Toy ny volan-dririnina Ka nampanontany tena fa nan'in fa nan'in Hay ny Rova no novangian'ny afo Toa famangiana miendrika fiantsiana Satria ny fefy no natao d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanga-hery-laza/lazalazao
Lazalazao
Rakotomanga Hery Laza
Mamirapiratra jerena rivotra mitopatopa eny antsefatsefan\'ny fotoana mampiseo ny bikanao kanto sy mahasondriana. Mahasarika ny maso manintona ny saina loko ,hanitra mamerovero izay aparitakao sambatra izy tsara voatra sady soa. Eny ho ao ry mpivahiny izay mandalo ka tsy liana mitompy maso dia variana ka mia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vaoarilala-andriantsifanetra-rakotoarijaona/ry-mpampianatra-o
Ry mpampianatra ô
Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona
Toa nisy mpampianatra hono nanao teny mahery maniratsira ny mpianatra, ka hoy aho hoe: Ry Mpampianatro ô! Dia inona ity nahazo anao ry madama Sa kosa ianao ramose very akama? No maniratsira ny tanora zana-pirenena Sady hirinay ho loharanon-karena Raha nisy disadisa niteraka adiady Nahoana ny ankizy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/ireo-nihoaranny-vintana
Ireo nihoaran'ny vintana
Voromailala
Voatery tsy fidiny Ireo tsy manam-bitana Hampiasa ny sidiny Hametrahany ny fintana Hanjono ilay andriambavilanitra Izay mba handrian'ny fony Kanefa kinga sady ranitra Ilay olona hojonoany Na dia ho lany aza Ny pejin'ny andro Dia maro 'reo tsy nahàza Ilay solo-masoandro Mihà toy ny vatolampy Vitan-tsianjer...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/fety
FETY
RATSIMBA Georges
Raha tonga ny fetin’i Dada, ‘Ndreo fa atolotr’i Neny Miaraka ny arahaba Sy ny akanjo iray ‘zay omeny! Fa amin’ny fetin’i zoky Dia andrehetana jiro, Tolorana sary sy boky, Anaovana laoka matsiro! Fa amin’ny fetin’i zandry ‘Zay kely sy mbola minono; Fahanana rononomandry Sy ovim-bazaha vao natono! Raha tonga ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vaoarilala-andriantsifanetra-rakotoarijaona/lalanavekanefa-hoy-aho
Lalànave?kanefa hoy aho
Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona
Lalàna ve?kanefa hoy aho Kanefa iza no misahana, manara-maso izany? ary tombon-tsoan' iza no arovana amin'ireny? Ny lalàna raha misy dia tsarovy hatrany Fa tsy natao ho an'ny kely tsy mahazo miteny Rehefa mandeha itony atao hoe reportazy Dia sahinao ve ny milaza fa voaaro ny zo? Ny mpiasa?karama ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hira
Hira
Fredy Jaofera
Misy maraina indraindray manamaloka avy hatrany ‘Reo ora sy fotoana,na mifandimby tsy hita lany ; fa rehefa mihira ianao ary mifaly lavareny dia mora misinda ho azy ireny rehetra ireny. Misy masoandro indraindray tsy manafana akory, Toa mazava fotsiny eo no mitady ny hampahory; Fa rehefa mihira ianao ka mbola ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aoka-izay-1
Aoka izay
Fredy Jaofera
Aoka izay, ry tiako, Ny manao izay mankarary ; Aoka izay fa fijaliako ‘ty mba andro tsy manjary. Aoka izay, malala, Ny mandrotsaka tomany; Aoka izay fa tsy mba hiala ‘lay anao irery ihany. Aoka izay,ry mamiko, Ny manao izay mampahory; Aoka izay fa mbola halamiko Ireo mitondra sorisory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fangaha
F'angaha
Fredy Jaofera
F’angaha rehefa kamboty Dia tsy afaka ny hiangoty, Tsy mba afaka ny hifaly Fa lazaina hoe:MIJALY ? F’angaha raha tsisy reny Dia mahantra lavareny, Tsy mba afa-tsorisory Fa heverinao ho ORY ? F’angaha raha tsisy ray Dia very andry fehizay, Toa tsy ahafahana midola Fa mizaka sy hoe:TOLA ? Iza ange no nilaza i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/xmen/ranomasom-pahoriana
Ranomasom-pahoriana
XMen
Masoandro mody, tsio-drivotra tony Misafo ny tavako, mamafa tomany Mijery sa matory va re Ilay ao ambony ? No dia manatsafa ny alahelon'ny tany ? Indrisy, ô indrisy, fa dila nidify Ilay fanantenako vao nitsimoka monja Nirindrina ilay vavahady, nihidy Nikarapoka mafy, moa tsy rindrin'ny fonja ? Ilay hany mba nof...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/handefitra-ve-aho
Handefitra ve aho
Fredy Jaofera
Handefitra ve aho raha manana ny marina Iniany disoina Sa dia ny hitolona,na ny feoko ho farina Sy tiany vonoina ? Handefitra ve aho raha manana ny rariny Iniany ravana Sa dia ny hijoro,na hita fa tsy ariny Ny fanazavana ? Handefitra ve aho raha manana ny hitsiny Iniany kosehina Sa dia hiady raha ota ny làla...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/azonao-atao-1
Azonao atao
Fredy Jaofera
Azonao atao ny tsy hitahiry intsony ‘Zay efa alahelo tsy hita ho nitony; azonao atao ny handrovitra ny sariko, ny hamotika avy izay rehetra hariko; azonao atao ny handoro diam-penina: irony soratsoratro saika hoe nafenina; azonao atao ny hanolo ny hirantsika, na tiako loatra sy mbola tsy voadika. Azonao atao !....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/xmen/embona-2
Embona
XMen
Ny lanitra manga Mamiratra kanto toa tsikim-pitia No indro mitranga Arahin'ilay vorona tena tsara dia Ny siokao manga No reko. Ka dia nahalatsa-pitia Ka aza mba gaga Mahita ahy miantso hoe : Avia ! Nambabo ny fo Nanaitra ilay hanina nikombona ela zay sisa tavelan' Ny tsiaro navalon'ny taona taloha. Ry voro-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/voninkazo-tsy-manantsahala
Voninkazo tsy manantsahala
Voromailala
Ireo mpanala aloha dia betraka Tsy mahay mihonona sy mipetraka Tsy mijanona ela fa miserana Fitiavana tsy azo ferana Izaho kosa dia tonga tsy hanala Na koa hoe nedaha hanadala Fa hanorina fihavanana mirindra Tia mifanampy indrindra indrindra Ny an' ireo olona mpanala Ny rano izay natsakaina Dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/ny-foko-3
Ny foko
Voromailala
Niniako nosaromana malaky Ny fitempon'ny foko tao anaty Isaky ny miresaka isika tato ho ato Nefa nisy ihany ireo afaka nanako Renao ihany izy ireny matetika Na dia efa niniana nalentika Satria ny boiboikan'ny ako Dia tsy mijanona manako Ka tonga izao ilay fotoana Tsy hay intsony hoe nahoana Fa tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/angamba-izao-no-ora
Angamba izao no ora
Mbola tsy fantatra
Angamba izao no ora Itafàko moramora Aminao ry Sombinaiko Fa tsy haiko Ny hangina Ato anaty fihafiana Tiako ianao eny tiako Ary tena fifaliako Ny mitoetra anilanao Hatramin' izay ka hatramin' izao Ny endrika sy bika Zay sary indray mipika Anananao, nampitoetra Fitia tsy nisy fetra Tato anatiko Ka satriko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/angamba-3
Angamba
Fredy Jaofera
Angamba tsapanao Ny ao anatiko ao, Na mody mba miery Ny masoko mijery. Angamba fantatrao Ny vetsoko eto izao, Na mody mba tsy taitra Ny foko be haitraitra. Angamba takatrao Ny tena hira vao, Na mody mba tsy tia Ny foko kely aty.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-fohazina
Aza fohazina
Fredy Jaofera
Aza fohazina eto intsony Ny alahelo izay matory Sao hitraotra ka ny ony Hisavoara...Hanorisory. Aza fohazina eto intsony Ny ranomaso izay nijoy, Sao hikiky ka tsy hitony ‘reo sentosentoko nitohy. Aza fohazina eto intsony Ny adiady izay nitranga Sao re indro ho lonilony No hisisika sy hiranga. Aza fohazina e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/xmen/ilay-tokana-iray
Ilay tokana iray
XMen
Ny masony mijery toa mila hahafanina Tena mafy, manintona! Sarom-patarina. Ny tsikiny mamoly toa ody mahery Manaitra mpandalo, manintona jery. Ny famindrany mailaka, mitsatoka mora Ny hanitra avoakany toa vonin'ny miora Ny volony milanto, somary saritaka Ny foko midoboka, mila hipatitaka ! Iny e, iny! Ilay tsar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nary/fifanenana
Fifanenana
Nary
Izay tena tao am-pony tsy fantatro mihintsy tsy haiko nozahana fa teo an-tenantenana làlana mahitsy no nifanenana... izaho, izaho irery izy, izy irery... Vao teny lavitra izy dia hitako nijery... dia mody tsy nahita... Angamba tsy ampy hery hiatrehana ny ditran' ny masoko tsy niery variana fa voasariky ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/fitia-tsy-mety-lany
Fitia tsy mety lany
Voromailala
Raha mibanjina iny lanitra iny aho Dia lasa fisainana lava any aminao Raha mba azoko hatao mantsy ny manoratra eny Mba hilazako ny ato am-poko tsy voateny Voasakan' ny elanelan-tany Ka faravodilanitra avy hatrany No tazana raha hitady anao Lavitra nefa akaiky ao anatiko ao Toy ny fasika amonron-dra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanahy-iray
Fanahy iray
Fredy Jaofera
Efa ela isika no efa natambatra Mba hifampitady sy hifampitantana; Efa ela no napetraka ho sambatra, Saingy tsy hita,na mody mivantana. Nivezivezy teny irony sila-panahy: Nikarokaroka izay tena ho anjarany; Kinanjo ny antsika fa indro voatahy, Narafitra hiray hatrany amin’ny farany. Maro dia maro ireo andro nia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/tiana-2
Tiana
Tsilaitra
Amiko ny tiana Tsy mamela ho variana Am'zay tsy mahasoa Amiko izy ireny Tsy mba menatra miteny Zay mampijaly koa Fa ny tiana mantsy namana Sakaiza mahatoky fitantanana am'zao rehetra izao Ka ny tiana malahelo rehefa nafenana Tsiambaratelo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fetinny-reny
Fetin'ny reny
Fredy Jaofera
Raha tonga ny fetin’ny reny, Satriko ny hangina ombieny, Satriko ny ho singan’irery Ho olona tsy manam-pijery; Satriko ny hivetso ao anaty Ny senton-dreny efa maty. Raha tonga ny fetin’ny reny, Satriko ny tsy hanam-piteny, Satriko ny hitoba-piadanana Tahaka an’ireo mbola manana; Satriko ny hikaroka ny ahy, N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eny-1
Eny
Fredy Jaofera
Manjombona,lahy,izato foko Manjombona sy rako-tomany ; ‘reo maty no tonga tsaroako, manetsika foana hanontany. Nankaiza ilay volan-tantely Fa ny alina no mamirifiry ? Nankaiza no tsy hita mively Ireo vazon’ny fo makadiry ? Nankaiza ilay efa masoandro Noheveriko hitondra hafanana ? Rahoviana no afaka hitandro ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrakens/ianao-mody-adala
Ianao mody adala!
Fetrakens
Ianao mody adala ka ninia tsy te-halala Ilay fitiavana natolotro Zay nivoaka teo imolotro Ianao mody adala! manao ahy tsinontsinona kanefa tsy mampaninona Zay tia mantsy adala
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrarivo/singam-bolo
Singam-bolo!
Fetrarivo
Dia singam-bolo efatra no hany mba nomeny ahy ho fahatsiarovana mavesatra ilay mba fitiavany ahy inona tokoa indrisy no mba dikan'ireny volo ireny raha toa marina ka tsy misy 'lay fitia nampiteniteny? Dia ho sanatria ve marina? nandao anao izy ka tsy hiverina ka ty fo sisa no amboarina singam-bolo telo sy en...