url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrarivo/ny-taom-baovao | Ny taom-baovao! | Fetrarivo | MIARAHABA ANAO NY TENAKO NOHO ITY TAOM-BAOVAO 2004 ITY MAHEREZA RY SAKAIZA.
Hisaorana indrindra Andriamanitra
Nanome taom-baovao mahafinaritra
Enga anie ka firaisan-tsaina madio
No iainana manomboka anio
Dia hoadinoko avokoa
Ireo sorisory hita fahiny
Mba hahitako ny soa
ka aoka tsy hifanome tsiny
Enao io lay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/fanalahidy-ny-fitiavana | Fanalahidy ny fitiavana | Voromailala | Velaro ny tsikinao
Ary akopahy mafy dia mafy
Mba handehanan'ny heriny
Anyamin'ilay tsy tody
Veleso mafy ny fonao
Ary aza hatrahatra mihintsy
Mba hanakoan'ny faniriany
Mandra-pahalady ilay marenina
Ny fiteny sy ny fihetsika indray
Ataovy toa irony tantely afa-drakotra
Vao avy nalaina tamin'ny mitataovovonana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrarivo/fitiavana-ve-1 | Fitiavana ve? | Fetrarivo | Inona no atao hoe fitiavana
zay miara-dia ve dia hoe mpifankatia
sa kosa lahy mpihavana
ka mba miara mirihariha?
dia hoe tiako ianao
rehefa mba misy manaitra
tsy manadihady ianao
fa avy hatrany dia taitaitra
fa angaha ny fitiavana kilalao
rehefa te hitia dia atao
nefa noho ny avy eo
veloma ianao fa mankaleo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sedra/dinikynysaiko | Diniky.nysaiko | Sedra | raha nandinika ny saiko, dia ny endrikao mazàna
no matetika tsaroako dia ilay fitiavana mafana
raha nandinika ny saiko dia ianao mitsikitsiky
toa tsy afaka ato an-tsaiko,ity ianao mamikiviky
fa lasa lavitra ny saiko iny izaho mba irery
lasa lavitra aminao,ka matetika mijery
mahatsiaro anao mitsikitsiky.foana
na ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ivetso/etsy-babeko | Etsy babeko | Ivetso | Etsy babeko razandry malala.
Etsy babeko, aza misalasala.
Fiakara-mideza no hanihintsika,
Ny andro manorana sy mangatsiaka.
Etsy babeko razandry malala.
Etsy babeko fa isika hiala
Amin'ny làlan-kizo izay ety dia ety
Tsy ahafaha-mandroso ka tena tsy mety.
Etsy babeko razandry malala.
Etsy babeko, aza misalasala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafindralambo-oliver/when-the-rain-begins-to-fall | When the rain begins to fall | RAZAFINDRALAMBO Oliver | Raha vao manomboka hirotsaka ny orana
Dia ianao no avana eny amin'ny lanitro
Matokia ahy fa tsy misy atahorana
Raha sendra mianjera aza ianao ho sinambotro
Raha vao manomboka hanorana ny andro
Izaho no hanazava, hisolo masoandro
Ny fiainanao hanjopiaka, hibaliaka
Ary ho lavorary izay rehetra ataontsika
(Atolotr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raharijaona-marie-angele/ilay-voronkely-feno-ratra | Ilay voronkely feno ratra... | RAHARIJAONA Marie-Angèle | Henoy kely ange rey olona
Ny amin'izato zana-borona
'Zay mafy ady, zary sorona,
Mba te hioitra, te hitolona.
Tao ny kotro-baratra, ny tselatra,
Izy mbola tsy hary elatra
Ka tsy afaka nanavo-tena,
Niari-pery, nahonena.
Ny tafiotra koa namely,
Izy anefa mbola kely.
Ilay reny lasana niremby,
Tsy tafody koa fa j... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/tonokalo-ho-anao | Tonokalo ho anao | Mampikanto | TONOKALO HO ANAO
Dia noraisiko ny penina, hanoratako ho anao
Toa mamolivoly ny ati-panahiko no indrisy fa injao
Irony vetsovetso sy ny eritreritra toa lafatra
Toa te-hahalala anao ry olona tsy fanatra!
Irony sombin-dahatsorany, irony andran-tonokalony
No manosika ahy te-hahafantatra ny kantony
Ilay fikasany te-h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bidich/ianao-ilay-gasigasy-iny | Ianao ilay gasigasy iny | bidich | ianao raha mandeha
tsy mba mirehareha
ianao ilay gasigasy iny
ianao raha miakanjo
ziponao manasa-dranjo
ianao ilay gasigasy iny
ianao tsy dia be teny
fa voaanadray sy reny
ianao ilay gasigasy iny
ianao tsy tia sexy
na mivoaka boite de nuit
ianao ilay gasigasy iny
ianao raha mandihy
dihy soroka r'ity
ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kintana/ry-zoky-vavy | Ry zoky vavy | Kintana 2 | Ry zoky vavy izay tsy mba nananako
Nahoana no ampamoizinao ny foko
Tadiavinao alaina ilay hany fananako
Ka ny androko sisa ho fenoinao toloko
Nahoana ianao no tia tena
Ny herena anefa eo aminao
Vady zanaka,ray sy reny ary zandry
Moa izy ireo tsy ampy anao
Mitondra anao ho aiza ny haratsian-toetra
Fakafakao re ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ivetso/ny-fanahy-no-olona | Ny fanahy no olona | Ivetso | Raha tsy eo ny fanahy
Moa ho olona ry lahy ?
Hany sisa dia akora
Mora vaky sy bakora.
Raha tsy manana fanahy
Moa ho olona ry lahy ?
Tsy misy azo antenaina
Fa toy ny tany karankaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ivetso/i-amalonkely | I amalonkely | Ivetso | Nitsoriaka, nitsoriaka i Amalonkely.
Nanarin-dray sy reny nefa lasa ihany.
Izany fitsoriakany tsy hita velively ;
Gaga izay nahita ka nifanontany.
Tsy tana, nitsoriaka i Amalonkely.
Mba te-hiaina, hono, ka dia nitsoriaka.
Nidehadeha ery, ny lazany niely,
Izay nananatra azy lazainy ho nasiaka.
Dia nitsoriaka foa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/rehefa-tia-ianao | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cowboy/ilaiko-izany | Ilaiko izany ! | cowboy | nalaina tao amin'ny www.malagasy.ht.st
Raha tolotolotra sy fanomezana
Na vanitika sy fihomehezana
Indrindra ka tambitamby sy teny mamy
Ekeko daholo fa tena ilaiko izany
Ny orokoroka sy safosafo
Sa zava-pisotro sy sakafo
Tsy dia fampitaha ihany
Nefa dia ilaiko izany
Dia fahaizana sy fahendrena
Sa ho vola aman-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/caramail | Caramail | Voromailala | Tendrin-tanana roa maromaro
Renisoratra sy zanany mifangaro
No namoahana ny tao anaty
Tamin'ny alalan'inty tsaty
Misalotra anarana vatomamy izy izay
Misarika ireo malagasy erantany hifandray
caramail, izay no fiantsoana azy
Mamy tsy foy nefa mahavoasazy
Ao ny firesahina ampahibemaso
Hamoronana sangy baraingon'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bidich/fa-ny-fitiavako | Fa ny fitiavako | bidich | fa ny fitiavako
tsy maro fa tokana iray
ka ny fivavako
hitia anao mandrakizay
ataoko ny tsy hampiofo
ny lokom-pitiavako anao
ka na rivotra hifofo
izaho sahy hijoro ho anao
ny foko efa tia
mitahiry hafanana
hiraisana tananà
raha tsy ho doria
isika hifandray tanàna
hijanona ho mpinamanà |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rindra/ny-fitiavako-anao-1 | Ny fitiavako anao | Rindra | Mety angamba anao
Raha toa ka mahita zao
Diso tiako loatra ianao
Ka nahatonga ahy hanao izao
Souvenir manatompo
Tehirizo tsy haloto
Souvenir manankery
Tehirizo tsy hi very |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ivetso/asaramanitra | Asaramanitra | Ivetso | Arahaba tonga soa ianao ry Asaramanitra !
Faly mandray Anao ny rehetra, ambany lanitra.
Mbola mifono misitery nefa maharavo fo,
Mandrosoa ery aloha fa raisinay an-tanan-droa.
Tamin'ny mamatonalina no niandrasanay anao,
Mova tsy ny miandry vohoka, fahaterahana vaovao.
Tsindrian-daona ny rehetra. Olo-maro sesehena
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/alina-iray | ALINA IRAY | Mampikanto | ALINA IRAY
Ny tara-bolantsinana nandoaky ny alina
No namoaka ny tsiaroko ho any aminao,
Ilay hazavana hafakely sady sina,
No amborahako ny foko te-hitafa raha toa ka sitrakao
Ry voaly maintin’ny alina, tsy ahitako mangirana
Nahoana loatra no dia koboninao ny fony!
Izaho aty mijaly, manirery ato anaty fahanginana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nasolo/rahoviana-2 | Rahoviana | Nasolo | Rahoviana vao ho avy ilay maraina
ka hiarahanay migoka ny fiainana eto an-tany.
Rahoviana vao ho foana ny taraina
nandrotindrotika ahy sy ilay malalako any ho any.
Rahoviana vao tsy hiafina ny volana,
ho fenomanana hatrany anaty haizina mikitroka
Rahoviana vao ho lavitry ny olana
Ity akany, manirery, tsy ilaozan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ekeko-kanefa-1516 | Ekeko kanefa… | Fredy Jaofera | Marina fa ny toba-karena,
Miadana foana aok’izany ;
Kanefa na tsisy tangena,
Tsy midika fa tsisy tomany.
Marina fa rehefa finaritra,
Manana ‘zay zavatra ilaina;
Kanefa na tena tsy miaritra,
Tsy mitory fa tsisy adin-tsaina.
Marina fa ny olon-tsambatra,
Miaina ao anatin’ny lapa;
Kanefa na hita tsy miambatra,
T... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/betsaka-2 | Betsaka | Fredy Jaofera | Betsaka ny zavatra tiako ravana
Hivalona hatreo,
Kanefa tsarovy fa tsy mety fafana,
Mitondra toreo.
Betsaka ny zavatra tiako saronana
Hanova ny ho avy,
Kanefa tsarovy fa tsy mety takonana
‘zay nampanavy.
Betsaka ny zavatra tiako andosirana
Hihataka foana,
Kanefa tsarovy fa tsy mety mahamirana
‘zay manoloana.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/latino/fiahinana | fiahinana | latino | Fiahinako taloha
mampiheritreritra aloha
satria aho izao
efa vizaka sy lao
Anga ny tena ihany
mahatsapa rehetra izany
inona no tokony atao
aminy fijaliana izao
Oviana reh! ry chery
mba hivoatra isik'ity
ny fiahinana tsy vita mora
rah tsy heo aloha ny vola
Sa ahoana reh! ho izy
mamalia zato izy
Ambarao ahy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/diavolam-penomanana | Diavolam-penomanana | Fredy Jaofera | Itsy volana itsy
Matoa mangasohaso,
Tsy fantatrao mihitsy
Ra’te hiantso andraso !
Iny tarany iny
Matoa mba manazava,
Angamba ankehitriny
Mba te hihira lava.
‘Zany fibalikany
matoa mba hafa kely,
angamba misy dikany
tsy hita velively.
‘Zatsy fenomanany
matoa mba tsy mamaly,
angamba tena hananany
‘Lay hira... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iombonako-1 | Iombonako | Fredy Jaofera | Iombonako aminao rehefa misy ny hafaliana
Iainana isan’andro sy misosa moramora ;
Iombonako aminao rehefa indro fitahiana
No mandrakotra eny, na minitra na ho ora.
Iombonako aminao rehefa misy ireo tomany,
Mipatrapatraka sy lazaina toa tsy telina ;
Iombonako aminao rehefa indro fa ny tany
Mitondra fahoriana sy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanjaadalampitiavana/aoka-izay-2 | Aoka izay | lanjaadalampitiavana | Angamba
aleo aho hikipy
inia tsy hijery
ilay endrikao mitsiky
mifono mistery
Mantsy
ndrao tsy ilay sainiko akory
no ambaran'izy iny
ka anjary tsy ampatory
toy ny aliko fahiny
Satria
matahotra aho mantsy
ny ho raiki-pitia
ka anjary angasihasy
refa tsy tafara-dia
Fa
efa ampy ahy
ireo lasa nolalovana
nah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manjary-fahazarako | Manjary fahazarako | Fredy Jaofera | Rehefa iny malahelo ka mitady hararirary,
Efa tonga fahazarako ny mijery foana sary :
Ilay sarinao tsy foiko nindramiko mangina
Hamoha indray hatrany ireo hany fifaliana.
Rehefa iny ka maniry ho eo anilanao
Kanefa toa tsy afaka fa zary mitalaho;
Efa lasa fahazarako ny manoratra eto lava
Anadinoana kely izay mety... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sedra/io-fihetseham-po-io | Io fihetseham-po io | Sedra | Tsy haiko faritana io fihetseham-po io
Hatramin'izay niainako ka mandrak'anio
Ankehitriny anefa dia fantatro ilay izy
Fa ilay aretina mpahazo ireo ankizy
Izay vao hitako sady miha-mazavazava
Izy io kay ilay sefon'ny mpampijaly lava
Ireo olona izay nahatsiaro ho nitoerany
Dia mahatsapa f'efa samy efa nifotera... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/voninkazo-adaladala | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/etsy-ange | Etsy ange ! | Fredy Jaofera | ETSY ANGE !
Rehefa olona tsy tiana,
Na tsara aza,haratsina;
Fa rehefa olona lalaina,
Na ratsy aza,hatsaraina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/ny-hatsaranao-ry-tiana | Ny hatsaranao ry tiana | Voromailala | Miala tsiny aho raha ny soratra
No fonosana hitondrako
Ireto fehezanteny tsy voatohitra
Tsy mijanona manako
Ireo teny izay notsongaina
Nisidina ka voatoraka
No nolalorina tao an-tsaina
Nihary lasa rafi-tsoratra
Mamy ny fary fa misy faikany
Mamy ny akondro fa misy hodiny
Ny hatsaranao kosa ry tiana
Dia ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanja-menja/ahiahy | Ahiahy | Lanja Menja | Ianao, adalako
Aza ampatsahivina ahy amin'ny aliko matory
Ireo tebitebin-tsaiko rehefa injay ahita an'azy
Ka fohazinao daholo ny rehetra nampaory
Ny sangisanginy nandratra natao misary vazivazy
Fa tsy laitrako raha toa ka ianao no ifoterany
Anesorako ny rihitra izay voahangoko tsy nahy
Foiny tamiko daholo lainga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrarivo/dia-ho-nofy-foana-ve | Dia ho nofy foana ve!! | Fetrarivo | Sanatria tsy ho nofy raha ianao milaza tia
Kanefa izaho misalasala
ohatry ny adaladala
Te handa ilay fitia
Ho tsiniko ary ve raha tsy hanaiky aho
tsy hanaiky velively ny hiarahako aminao
satria tiako loatra ny irery
ka tsy ho tsiny velively
sanatria tsy ikopa
ka tonga namana vao mavomavo
na koa hoe misotasota... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soama/vavaka-7 | Vavaka | soama | Vavaka
O ry Ray avo indrindra, Andriamanitra mahery.
Andrian'ny fiadanana.
Tahio re mba hirindra. Tafionao ny hery
Sy ombay fanentanana
Sao izato mba famindra, hamily sy hamery.
Ka hania aty an-dalana.
Toa mahitsy feno tsilo ny lalana mankany
An-tanjon-kifaharana.
Tompo o ilay fanilo, hitsinjo ahy hatrany
Rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naly/raha-tsy-eo-anilanao-1 | Raha tsy eo anilanao | Naly | Amin'ny ora tsy hahitako anao no tena hatsapako fa tiko ny eo anilanao
Eo no maha sesehena ny fanirina tsy hay fefena ao am-po torovan-tsentoko
Eo maha babangona maha hay sy mahafoana an'izao tontolo izao
Eo no tena hatsiarovako fa ny fo torovan-drovako mikalo ny anaranao
Ka na lavitra na akaiky ny fotsika mifanaik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefa-randriamiarisoa/vaky-ny-ady | Vaky ny ady! | Mahefa Randriamiarisoa | Tsy mahasakan’ahy tsy hifaly raha ny halaviran-tany
Tsy mahatohitra ny foko, tsy hitepo haneho fitia,
Raha ny lanjan’ny tomany tsy hampiova, sanatria
Ny herin’ny fanantenako : Izay no aingako aty.
Raha ‘zay vola tsy ampy lava no haha-ketraka ny saiko,
Raha ‘reo olon-kirian-dava no hampiferotra ny aiko,
Dia hanjar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hadinonao-ve | Hadinonao ve ? | Fredy Jaofera | Hadinonao ve
‘reo hirahirantsika
fa ny foko kely ange,
mahay mamorona mozika ?
Hadinonao ve
‘lay takarivantsika
fa n’aiza n’aiza aleha,
mbola ravo sy mikiaka ?
Hadinonao ve
‘reo fahatsiarovantsika
fa ny hany sisa re,
toa kalo iray mandriaka ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefa-randriamiarisoa/soanierana | Soanierana | Mahefa Randriamiarisoa | Soanierana
Tsy ho voatanisako etoana, ny tantarantsika lasa,
Efa ho telopolo taona no voarakitra ho lova;
Nifangaro tao daholo: fitadiavana sy asa,
‘Reo fombafomba manontolo,
‘Reo fety maro izay kinasa.
Tao ‘reo andro maharavo, nitondra tsiky sy hafaliana,
Tao no nanandràtana avo ny hasin’ny fianakaviana;
Nanak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-ny-mpitondra | Rehefa ny mpitondra … | Fredy Jaofera | Rehefa ny mpitondra no mifikitra aok’izany
Ny seza be madera,
Misy antony ao aloha izay fantatrao ihany :
Matahotra hianjera !
Rehefa ny mpitondra no tsy mahita intsony
Ny fijaliam-bahoaka,
Dia efa olon-kafa,mihevi-tena ho ambony,
Mitady basy hipoaka.
Rehefa ny mpitondra no manao didy jadona
Ny fahefana azony,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrakens/fa-mba-iza-loatra-ianao | Fa mba iza loatra ianao? | Fetrakens | Fa mba iza hoy aho ianao
no tena nambabo 'zato foko
Nampitalaho ,nampitoloko
'Lay hatsaran-bikanao?
Tsy haiko aloha na ianao ilay tsara
Notadiaviko hatrizay
Ka minia tsy hahalala
Ty foko mangahihay |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soama/ho-ani | Ho an'i... | soama | Ho an' i...
Fotoana vitsy monja...no nahitako anao,
Sendra mba nandalo.
Toy ny dobok'onja...ny tao am-poko tao!
Nanosika ahy hikalo.
Sahirana ny saiko..toa sadaikatra aho satria
Ianao nanohy nandeha.
Ny hikiaka toa tsy haiko, na hiantso hoe avia.
Tena babo aho ve?
Lasanao nankany...vinakinao tsy nahy
Ny silam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrakens/o-ry-kaiky-a | ô ry kaiky a! | Fetrakens | Zah leisy ho faty
ireo ny harenako hoanao
Mba tsitsio ihany ireo vatsy
Fa efa sarotra ny fiainana izao
De veloma mandrakizay
Any aoriana mety mbola hihaona
Tandremo sao diso misaona
Fa ny fiainana mbola milay
Dia veloma daholo
Mampamangy ry tontolo
Dia veloma ho aho izay ihany
Nareo koa anie mbola hoanye!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrarivo/aza-malahelo-fa | Aza malahelo fa! | Fetrarivo | Aza malahelo ianao sombin'aina
Fa tsy tiako ianao miharatsy saina
Ka dia veloma sombiniaina
Tazomy mafy izay ilaina
Dia veloma sanatria
Tsy hoe ianao no tsy tsara
Fa ilay toetra ratsin-dry
Nahatonga ahy hiala
Enga anie;any ny andro
Hiposaka indray ny masoandro
Dia hifankatia indray isika
Raha gasikara ; zam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riviere-andrianantenaina-jean-michael/hery-ny-fitiavanao | Hery ny fitiavanao | RIVIERE Andrianantenaina Jean Michaël | Ianao mansty iny
Izay nampiova ny fahiny
Eny babonao ny foko
Lasanao daholo
Toa sambatra aho eo anilanao
Eny anilanao foana ry tony
Hanadinoako irony,irony fotoana irony
Izay tsapako fa nangidy tokoa 'zay natao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrarivo/ny-fianarana-ange | Ny fianarana ange... | Fetrarivo | Mba mianara hono mafy
fa io no lova tsara indrindra
hahaizana mba mampirindra
sy mijinja ny voa nafafy
Ka ny fianarana anie
tsy azo atao ankilabao
sa ahoana hoy ianao
Aza variana mandehendeha
Na dia sarotra aza ny lesona
dia mba hianaro ihany ireny
Tandremo sao matory miesona
manjary bedin'i neny |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teny-roa-1 | Teny roa | Fredy Jaofera | Teny roa dia efa ampy
Ilazako ny ato anaty ;
Teny roa no vatolampy,
Tsy voazera mandramaty.
Teny roa dia efa afaka
Manambara ny ato am-poko;
Teny roa no tena miavaka,
Mbola meva sy miloko.
Ny voalohany dia ny TIAKO,
Ny faharoa dia ny hoe: IANAO,
Ka ny hany mbola iriko,
Ny fitambarany eto izao.
Mba tia anao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/krismasinay-kamboty | Krismasinay kamboty | Fredy Jaofera | Krismasinay kamboty,
Krismasy tsisy bikany,
Krismasy diso angoty,
Krismasy tsisy dikany.
Krismasinay kamboty,
Krismasy tsisy tsirony,
Krismasy feno ongoty,
Krismasy lany jirony.
Krismasinay kamboty,
Krismasy mampisaona,
Krismasy tsy voaoty,
Krismasy kely foana.
Krismasinay kamboty,
Krismasy singan-drery,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vavakilay-poety | Vavak’ilay poety | Fredy Jaofera | Ataoko ahoana moa, ry Ray,
No tsy hisaotra Anao indray
Tamin’ireny andro maro be
Feno tsiky vao mandeha ?
Ataoko ahoana ny hanadino
Ka ‘ty ny saiko re vimbino,
Inty ny foko re mba ento,
Na dia lavitry ny sento ?
‘Reny oram-batravatra,
toa nikija sy nandratra,
mbola ataovy fifaliana
tsy hahitako fijaliana.
‘... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aleo-miala-1 | Aleo miala | Fredy Jaofera | Rehefa ny apoaka,
Tsy mahafa-po vahoaka,
Tsy ahitana toky
Na kibo mety voky;
Toa tsy mankahery
Fa mainka koa mamery...
Inoako fa tsy mety,
Na aiza ianao no hitety
Ny fitondrana misy,
Saino izany...Indrisy!
Rehefa ny afitsoka
No mainka koa mihitsoka,
Mandentika tanteraka
Ny mponina efa reraka,
‘reo olona e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/amiko-ny-zanaka | Amiko ny zanaka | Fredy Jaofera | Amiko ny zanaka dia tiako noho ny tiako
Fa aina avy amin’ny aiko sy soa efa niriko ;
Amiko ny zanaka dia harena tsy hay soloina
Hikirizako isan’andro fa dimby ka koloina ;
Amiko ny zanaka dia tena adidy iray goavana
Tsy ilana fahakiviana fa ekena am-pitiavana;
Amiko ny zanaka dia hasambaran-dray sy reny,
Mainka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toky-fitaka-1 | Toky fitaka | Fredy Jaofera | Ahoana moa no inoako
Fa tia dia tia ianao
Ra’mandratra itony foko
Sy mandentika ahy no atao ?
Ahoana no atokisako
Fa ianao no fenomanako
Ra’tsy tia ny paradisako
Sy tsy mitady izay hiadanako ?
Ahoana no ahafantarako
Fa andry tsy ho voasolo
Ra’aozongozona ny tsarako,
Tsy tiana hitsangana daholo ?
Ahoana no a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maro-angamba | Maro angamba | Fredy Jaofera | Maro angamba irony andro
Mahay mandroaka tebiteby,
Fa ianao no ‘lay masoandro
Tsy mba mahay mandrebireby.
Maro angamba irony akanga
Mahay mandrava izay manjo;
fa ianao no tena manga
sy mbola tiako be tokoa.
Maro angamba irony kintana
Mitondra hira tsy hita isa,
Fa ianao no tena vintana,
Mbola ahitako paradis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riviere-andrianantenaina-jean-michael/ny-fitiavanao-2 | Ny fitiavanao | RIVIERE Andrianantenaina Jean Michaël | Izaho ilay notiavinao nandritra ny taona maro
Kanefa itako izao fa ny fitia nomenao fity mifangaro
Eny tsy ahy intsony ianao ankehitriny,
Satria lasa niaraka, nanaraka iny olon'iny
Fahiny mantsy raha niaraka isika
Toa ohatra ny hitako fa hiadana isika
Kinanjo fijery tsy tanteraka ny ahy
Ka nanjary nanimba ity fo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tany/safosafo | Safosafo | Ny Tany | Ilay alina iray nangalariko izaho sy ianao
Ilay alina iray niondanako izany tratranao
No nanararaotantsika nitelomana ny hiaka
Dia ianao ilay manery mafy
Izaho kosa tsy nijaly nefa tena niafy
Iny alina iny no nalalako izany safosafo
Iny alina iny koa no nianarako nisafo
Nisafo anao malalako, tsinapan'ity tanako
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/amiko-ny-vady | Amiko ny vady.... | Fredy Jaofera | Amiko ny vady raha tsorina fa tsy afenina
dia azoko amborahana ny sarotra tenenina;
amiko ny vady raha sendra ka tsy mirana
dia afaka hampisinda ny zava-manahirana;
amiko ny vady raha malama no irobohana
dia azoko itokiana sy vonona hifanohana;
amiko ny vady raha lavo foana sy misesy
dia afaka hampiarina ho olon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sedra/miora | Miora | Sedra | Isaorako ianao ry natiora
Nahavita olona toa an'i Miora
Isaorako ianao ry Andriamanitra
Nanome azy ny ranomanitra
F'izao izy mahafinaritra
Fa mamerovero sy manitra
Endrehana bika tena kanto
Sy feo tena milantolanto.
Izaho mba te ho toa anao koa
Te hanana toetra anankiroa:
Mba te ho soa sy hahafinaritra
Sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raharijaona-marie-angele/irony-dinitry-ny-lasa | Irony dinitry ny lasa | RAHARIJAONA Marie-Angèle | Ô ry fahavalopolo taona izay iainanay etoana,
Midorehitra firehitra, antom-pisian'ity fotoana,
Fahavalopolo taonan'i RADO, andro iray tena miavaka,
Ho vita sokitra ato anaty, mitondra hanitra sy ravaka.
Tsy azon-tsampona ny dia, koa arahaba tonga soa.
Tsy hay hotanisaina etoana raha ny hafaliam-po.
Izahay rehetra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/taiza-ianao-1 | Taiza ianao ? | Fredy Jaofera | Taiza ianao fony tsy nanan-kifikirana
Ny saiko nisavoro ?
Taiza ianao fony tsaroako nanahirana
Ny aloka nijoro ?
Taiza ianao fony tsy nanan-kianteherana
Ny foko manjoretra ?
Taiza ianao fony nitombo sy tsy ferana
Ny ora nampitsetra ?
Taiza ianao fony tsy nanan-kantenaina
Ny toky nifotorana ?
Taiza ianao fony ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrarivo/indrisy-mantsy | Indrisy mantsy | Fetrarivo | Indrisy mantsy zany fiainana
Tsara ,ratsy tsy hay intsony
Indraindray mahalasa fisainana
Ka mahaiza mampitony
Zato fo zay malahelo
mihonona mihonona
fa olona ihany ianareo
mahaizà,mivonona
Indrisy mantsy indrisy foana
raha mbola misy ny fotoana
Tsy hitsahatra aho ny hanoratra
hanaparitaka ny asa soratro |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanjaadalampitiavana/mba-rahoviana | Mba rahoviana | lanjaadalampitiavana | mba rahoviana vao ho foana
ny hetraketraky ny tany
ka tsy hisy intsony hisahona
tsy hisy intsony hitomany?
mba rahoviana vao ho hisy
'lay hasambaran-tsy hanam-petra
ka hana-anjaratandrify
ny olombelona rehetra?
mba rahoviana vao hifarana
lay adisarotry ny fiainana
ka anjary fiadanana
ireny fotoam-pitarainana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/asa-foana | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tany/adala-aho | Adala aho | Ny Tany | Adala aho !
Nahoana re no nisy hatrany teto antany
Ireo tovovavy soa sy kanto mahalasa ny vinany
Nahoana koa no toa izaho irery no adala samy irery
Mandinika fa iza amin’izy rehetr’ireny no ataoko mamikely
Adala aho angambany fa toa ny zavatra tsy ihisy
Sy ny nofinofin’ny alina mandreraka , mavesatra indrisy
No... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sambatra/fikirizana | Fikirizana | Sambatra | N'inon'inona kasaina
Ka heverina ho atao
Raha tsy manana anao
Dia manjary ho rava maina
N'inon'inona katsahana
Ka heverina ho tanterahana
Raha tsy manana anao
Dia ho zary zava-poana
N'inon'inona najoro
Ka irina tsy hikoro
Raha tsy manana anao
Dia zary hirodana daholo
Na ory aho na faly
Na malahelo na to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramarosoanomenjanahary-roland/fitiavako-1 | Fitiavako | RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND | ianao no tiko sy safidiko
nambabo ny fitiavako
ka anefako ny adidiko
sy anoroka ny tavako
ny ventsoventso tao anaty
ny fitiavako anao
koa lazaiko tsy hotanty
raha hiala eo anilanao
voady tena mafy horona
no iakinanao ri lala
koa aleo dia tsorina
fa tsy haiko ny hiala
tsy diso aho manambara
fa izany no fiti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/besorongola/ahy-ny-teniko | Ahy ny teniko | BESORONGOLA | NANDREHITRA AHY NY TENIKO
Ilay fiteny no nandrehitra ny ao am-ponao nangatsiaka
Teny angola izay ihany dia nahavaky ilay riaka,
Dia ilay riakam-pahatsiarovana
Nibosesika gorobaka
Niboiboka tao am-po,
nampitsiry ilay lemaka ...
Nampidoroboka ilay mifemaka
Dia ilay tsiaro
Ny "any ho any"
Any izay 'lay tany mamy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrarivo/mba-mitsiky | Mba mitsiky | Fetrarivo | Mba mitsiky fa tsara ny andro
Efa miposaka ny masoandro
Ka tsy hilentika intsony
Ny voninkazo efa mamony
Moa va diso ny fisainana
Raha marobe ny fitarainana
Hita hatraiza hatraiza
Na mpinamana na mpisakaiza
Moa diso zato tany
Misy ireo 'zay mitomany
Misy kosa 'zareo 'zay faly
Dia hoe lavitry ny jaly
MBA MI... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arison-jaha/valiha-mitady-kopaka | Valiha mitady kopaka | Arison Jaha | Variana erý ianao nitendry ny valiha tanaty sasakalina.
Nanandratra haravoana, nandraraka eritreritra,
Nivetsovetso lalina.
Maminao ny hira, ny hiran'ny valiha, izay hira tsara rindra
hitondra ho anao
nofy iray malia : ny aloky ny embona, sary tsara indrindra...
Dia hoy ny teninao lasa tsy tsaroana :
"Angamba na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ivetso/ry-tsy-fantatra-anarana | Ry tsy fantatra anarana | Ivetso | Dia nisy ny mazava, ary nisy koa ny alina
Dia ny alina nikitroka tsy nahita-nitsinjo intsony,
Ary nisy ihany koa irony lavo, tsy afa-niarina,
Vata-nangatsiaka sisa, nitsaha-fitepo izany fony.
Miaramila izy ireo, maty an-tanim-piadiana,
Tsy teo Ikaky na Ineny fa honjohonjon'izy irery.
Mangidy koa raha mangidy, lav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sambatra/ity-foko | Ity foko | Sambatra | Nahoana re ry tiana
No dia nilaozanao
Ity foko mbola tia
Miangavy mitalaho
Aza atositosika
Ity foko mitoloko
Mba miverena re
Fa manina anao
Ity foko manirery |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramarosoanomenjanahary-roland/ho-anilay-tiako-tsy-lavitrahy | Ho an'ilay tiako tsy lavitr'ahy | RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND | Alina mangina hitraharan'ny tontolo
fa niembon'olo-tina injao mamoly voly
manirery mahatsiaro izay niarahana rehetra
na ny tsiky na ny tomany tsisy fetra
tsy andriko ny ampitso ahitana anao indry
handrehitra ilay afo hiredareda mahamay
hanafana ilay fitiavana izay ny fanolorana
hanefena tsangambato hanafana ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toukkys/voadim-pitia | Voadim-pitia | Toukkys | Tia anao aho tena tia
Ho tia anao mandrakizay
Izao hivadika aminao, sanatria
Vao mainka aza isika hiray
Ny foko efa jamba
Tsy hahita lalan-kafa
Tsy afaka hanary lamba
Fa hihafy tamin'ny kinasa
Izaho tsy anary anao
N'inona hitranga, hitatao
Hiaro anao foana
Tsy hisafidy andro, fotoana
Tsy havelako hangatsiak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sambatra/faniriana-1 | Faniriana | Sambatra | Na faly aho na ory
Na ravo koa na tomany
Dia ho eo anilanao hatrany
Izany no mba faniriako
Sy mba fikasako
Dia ny hiara-dia aminao rahatrizay
Maharitra ety
Eny hateza ho doria
Ny fiarahantsika zary hisononoka
Ka tsy hisy tsy ho variana
Na ireo mpandalo na koa ireo izay mijery
Samy hitsiriritra ka hankafia an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/tsy-misy-1 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramarosoanomenjanahary-roland/ianao-iny | Ianao iny! | RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND | IANAO INY
Ianao iny any nofidina
ianao iny no any fanirina
ianao hiany no efa nantenaina
ianao koa no atokiny aina
Saingy ankehitsiny indrisy
ianao no sahy nampisy
ireo karaza-paotana maro
sy fitia mifangaro
Lasa ny saiko noho ianao
nahatsiaro ilay fitia vaovao
nefa tsy hamoy fo sanatsy
fa hiandry foa eny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanjaadalampitiavana/nofy-1 | nofy | lanjaadalampitiavana | hoy ianao moramora
avia hanatona ahy
taitra aho toa voadona
voasarika tsinahy
Ka namikiviky nihazakazaka
ny hatsembohako nipatrapatraka
niezaka ny hamoaka feo saingy ... tsy afaka
Tampoka anefa
toa maizina avokoa
ny hitako rehetra
niodina aho nijery
hay izaho ity irery
hay izaho ity natory
fa tsy fantatro ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/ambangovangony | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sambatra/variana-sy-sondriana | Variana sy sondriana | Sambatra | Variana loatra ianao
Ka tsy tsapanao akory
Ity foko mitoloko mitalao
Maniry mafy anao
Ny vetsovetso-poko anatiko ao
Toa tsy henoinao akory
Fa toa mandalo miserana ihany
Maro koa aloha ireo lolo manodidina
Ka tsy omeko tsiny ianao
Raha toa ka variana sy sondriana
Mankafy sy mankamamy izany
Asa mba rahoviana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sedra/ty-ataonao | " ty ataonao! " | Sedra | Mifoka ianao, dia misotro toaka ;
Tsy miraharaha ny masom-bahoaka ;
Ianao anefa vao tonga any any an-trano;
Rehefa voaadina dia mitantara angano.
Ny fiainantsika hoy ianao fohy loatra,
Na izany aza anefa ny anao tafahoatra;
Tsy mba avadikao ho zavatra tsara,
Izao ataonao izao anie ka voarara!
Aiza ve ka atao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/besorongola/ainga-mpanahytohiny | AINGA-MPANAHY... | BESORONGOLA | AINGA-MPANAHY...
Ka lasa nidify nanidina
niova ho hira nisidina
nitety ny tontolo niodidina
...dia lasa
navelany teo ny elanelana
adinony teo ny fotoana
toa tadio mandalo miserana
...ka tsy tana
any an- habakabaka,
eny andohasa
eny an-kebakeba tany
any am- paravodilanitra
...efa dila |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tany/noelinny-mahantra | Noelin’ny mahantra ! | Ny Tany | Io fa !
Tonga indray ilay andro
Andrasan’ny Tontolo,
Higadona tsy ho ela
Nefa tsy ampitsangam-bolo
Noely !!!
Tonga lava tsy nantsoina
Ilay andro iray malaza,
Tonga ho azy ihany koa
Ny dera sy ny laza
Noely !!!
Io ilay andro tsara
Hanehoan’izao tonotolo’zao
Ny haingo, haratra rehetra
Sy ny fomba amampanao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/besorongola-na-gasy-ka-gasy/ainga-mpanahy-dila | Ainga-mpanahy ....dila | Besorongola na Gasy ka Gasy | Ainga-mpanahy ....dila
fa lasa nidify nanidina
niova ho hira nisidina
nitety ny tontolo niodidina
....dia lasa
navelany teo ny elanelana
adinony teo ny fotoana
toa tadio mandalo miserana
....ka tsy tana
any an- habakabaka,
eny andohasa
eny an-kebakeba tany
any am- paravodilanitra
......efa DILA.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/besorongola-na-gasy-ka-gasy/vavakombalahy-jaky | Vavak'ombalahy jaky | Besorongola na Gasy ka Gasy | VAVAK’OMBALAHY
Izao no vavako Andriamanitra
Mba ekeo hanaka danitra
Fa toloko-mpiangaviana
Ho an’ity tany amamiana
Fa toa kodingy very tsihy
Resy ny mampahory izahay ety.
Ny hasohason’ny mpanamora no mandraby
Nefa toa tsy ho zava-mora izy ity
Kodaidaina mikodedika aho
miantso ny anaranao Izainahary
mitaraina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/eritreritra-1 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raim/zonao-zoko | Zonao, zoko | Raim | Zonao ny miteny ny zavatra lazaiko
Zonao koa ny manana ny zavatra ananako
Zonao ny mahalala ny zavatra ato an-tsaiko
Zonao ny mahay ny zavatra hain'ny tànako.
Zoko ny mihira ny ventso kaloinao
Zoko ny mahita ny zavatra hitanao
Zoko ny mandre ny teny fandrenao
Zoko ny mandray izay eo an-tànanao.
Fa na inona mane... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/marina-fa-hoe | Marina fa hoe... | Ryana | MARINA, FA HOE…
Marina fa hoe adidy ts'hita isa no atrehin'isan'andro,
Asa, raharaha efa aman'alin-kisa, 'zary fohy ny andro…
Na izany aza ve dia tsy tsaroana intsony
Fa any misy namana…
Miandry, manantena, miandrandra hoantsoina,
Tsy sasatra mitazana…
Marina fa hoe efa nisy ihany teny izay nifanolorana,
Tsy to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raim/tsy-resy | Tsy resy | Raim | Tsy resy akory ny mangina
Izay mangina volamena,
Ny fandefera-mahasina
No mitondra fandresena;
Fa miady ao anaty
Ho mpandresy any aoriana,
Fa ny marina tsy maty
Na oviana na oviana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrakens/ity-fiainana-ity | Ity fiainana ity | Fetrakens | Lazaina hoe:sarotra ny fiainana
Ny teny ve no diso
Sa ny fomba fisainana
No tena masiso? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soama/rova-1 | Rova | soama | ROVA
Mba hamafàko ny adin-tsaina
Izay mampiferin'aina,
Nohon'ny faharavàna
Niseho tany an-tanàna,
Izay nataon'ilay mavàny.
Tena ankaso loza an-tany!
Dia tononkalo tsotra
Avy ao am-po mipololotra
No hany arindra ankehitriny.
Ho an'ny Rovanay fahiny.
Ravarava ianao, nikoro.
Vato zara raha mijoro.
Toa poak'at... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/besorongola-na-gasy-ka-gasy/ainga-mpanahy-1 | Ainga-mpanahy | Besorongola na Gasy ka Gasy | AINGA-MPANAHY
Navelanao handeha
tsy narahinao tambiny
tsy norohizanao kofehy
...ka lasa
Tsy mba hevitra ampiadiana
tsy mba tetika ifandrafiana
fa ainga-mpanahy
....ka tsy tana
fa lasa nidify nanidina
niova ho hira nisidina
nitety ny tontolo niodidina
....dia lasa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrakens/izy-no-tiako | Izy no tiako | Fetrakens | Maro ny voninkazo
fa hafa ihany ianao
'lay nahatonga ahy hivazo
sy hirediredy tahaka izao
Betsaka ny manja
Bozy ;Vao sy Lanja
fa hafa ihany anefa
'lay fitiavanao miantefa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sambatra/mahery-ny-fitia | Mahery ny fitia | Sambatra | Mahery loatra ny fitia
Ka resinao aho ry malala
Babonao ny foko manontolo
Mahery loatra ny fitia
Ka satriko hahita anao hatrany
Isan'andro isan'ora
Mahery loatra ny fitia
Ka manjary tiako daholo izay rehetra ataonao
Manjary mamiko avokoa ianao tsy misy analana
Mahery loatra ny fitia
Ka faniriako ny hiara-dia
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soama/nofy-2 | Nofy | soama | Nofy
Nanonofy anao aho omaly;
Dia falifaly aok'izany.
Saingy nofy mampijaly!
Satria sary fotsiny ihany.
Ny endrikao tao miramirana
Iriko handravaka ny akany
Saingy nofy manahirana!
Satria sary foana ihany.
Ny tsikinao, ny fombanao
Nantenaiko tsy ho lany.
Saingy nofy mankalao!
Satria sary foana hatrany.
Hih... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soama/tsy-haiko-ny-naneho | Tsy haiko ny naneho | soama | Tsy haiko ny naneho
Tsy tsinjonao tamin'izany
Fa niboika tato an-tsaiko
Ho anao mba nantenaiko
Ny Faniriana sesilany.
Tsy tsapanao akory
Ilay fanainga mba natorako
Sy mba hany nisalorako
Ny fitiavanao natory.
Tsy henonao ilay feo
Niritsoka mangina,
Asa, ianao variana
Tsy naheno ny toreo.
Tsy azonao an-tsai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soama/rova | Rova | soama | ROVA
Mba hamafàko ny adin-tsaina
Izay mampiferin'aina,
Nohon'ny faharavàna
Niseho tany an-tanàna,
Izay nataon'ilay mavàny.
Tena ankaso loza an-tany!
Dia tononkalo tsotra
Avy ao am-po mipololotra
No hany arindra ankehitriny.
Ho an'ny Rovanay fahiny.
Ravarava ianao, nikoro.
Vato zara raha mijoro.
Toa poak'at... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sambatra/ani-malala | An'i malala | Sambatra | Atolotro ho anao ity diam-peniko ity
Tsy dia lava na koa mirindra
Fa fohy ihany kanefa mambara zava-tsarobidy loatra
Atolotro ho anao ity foko ry malala
Ho anao hanjakao
Manomboka izao ka ho rahatr'izay
Atolotro anao fitiavana maharitra
Hitondra hafaliana ho antsika roa
Hasambarana mandrakizay
Atolotro anao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tany/h-an-i-vero | H an' i vero !. | Ny Tany | Vero!
Dia sahinao hatramin’izay ka hatramin’izao
Eny hatramin’ilay ora farany nanajako ny fitiavanao,
Dia sahinao hatrany no nilaza fa hoe tena tia ahy ianao
Nefa.......
Indrisy !!!
Nobaboinao ny foko!
Nobaboinao ny fitiavako !
Tsy namelanao raha tsy nody ho vovoka ilay Vatako!
Vero !!!
Fantatro fa resinao ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tany/tsy-ho-ahy-2 | Tsy ho ahy | Ny Tany | Tsy ho ahy.
Tsy ho ahy ianao fa fantatro, saingy izaho no…
no nandrebireby saina , nanififikifi-doha, sy tsy nanaiky ho lembenana
Satria tiako loatra ianao, ka ho ataoko izao sy izao !?, na dia efa fantatro aza fa…
Tsy ho ahy tokoa ianao.!.
Tsy ho ahy tokoa ianao.
na hanao inona aho na hatao inona ianao .
Fantat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sambatra/tso-drano-1 | Tso-drano | Sambatra | Sarobidy loatra ianao ry aiko
Mamiko sy tena tiako
Tso-drano no atolotro ho anao
Raha hamaky ity fiainana ity
Mbola lavitra izato lalana
Tsy maintsy hodiavinao
Ka mahereza sombiniaina
Ny Tompo anie homba anao
Amin'izay zavatra rehetra kasaina ka hototonsaina
Izy anie hamelombelon'aina
Ka mba hahita mamy ety
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/lazao | Lazao | Mampikanto | LAZAO
Moa azoko atao
Ny haka metatra handrefy
Halavana havaventy
Izany hoe “Fitiavanao”?
Moa azoko fantarina
Amin-teti-drefy maripana
Ilay fitiavana tsy tana
Mba ho tsapako fa marina
Moa azoko lanjaina
Izany izy ka mafonja
Dia inoana tsy hiova
Hitondra tsiky vao maraina
Moa azoko bedaina
Mba ho ahy samire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanty/ahiahy-1 | Ahiahy | Kanty | Dera sy laza no atolotray
Anao ry Mpamonjinay
Fa ianao lehibe sy Mahery
Nihazona anay tsy ho very
Fitiavana avy aminao ihany
No ifankatiavanay, mamy...
Izahay roa kely mitomany
Fahalemena ihany izany
Nefa Tompo aza ariana
Aza arianao na oviana
Na oviana n’aiza n’aiza
Na’aiza n’aiza misy anay
Tena tiako ange... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.