text
stringlengths
10
11k
Fifanampiana malagasy, 1975 , le comité de solidarité de madagascar et les problèmes de développement , in les fokontany ou les structures du monde rural pour une maitrise populaire de développement ordonance 73 009 du 24 03 1973 art. 01 le fokonolona est une ou plusieurs communautés des personnes vivants sur une portion du territoire national ayant décidé elles mêmes de s’ admininstrer et de veiller à leurs intérêts
Ireo fiomanana atao mialoha ny hanatanterahana ny asa nataon’ny mpampianatra
Directeur de recherche ramatoa raharimanga fidèle maître de conférences
Lisitry ny fanafohizan-teny agi adaptation goal attainment integration latent patterns maintenance epp ecole primaire publique ceg college d’enseignement general paoma paositra malagasy ens ecole normale supérieure capen certificat d’aptitude pédagogique de l’ecole normale fram fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra one organisation nationale de l’environnement prd programme regional de developpement dre direction regionale de l’environnement instat institut national de la statistique epm enquêtes permanents aupres des ménages. Eds enquêtes démographiques et de santé vpei vice primature chargé de l’economie et de l’industrie.
Solofo josé, anokantsa, tak 20 ; va tak 1 20 rano , onja, tak 26, va tak 2.
Handeha isika hitady toerana
Rehefa ny olona na ny mpiara-monina no mifanerasera maharitra dia maro ny toe-javatra mety hitranga. Fa mbola mety tsy hampoizina kokoa no hiseho eo amin’ny olon-droa lahy sy vavy mifampikasokasoka matetika. Anisan’ny mety hitrangan’izany ny resaka fianarana, toy ny fianarana dihy hita ao amin’ny tantara. Nianarana izany karazana dihy miara-misonenika dia miara-misongadina. Dihy valsa , hono, no anarany; fa dihy valitra , hoy ny mpihaino vilana. Tsy ela dia rendrika ny tanoranora sy ny malain-ko antitra rehetra na izany aza anefa dia nisy mpianadahy izay niavaka noho ny hafa rehatra, na teo amin’ny tsy fahalalana vizana na tamin’ny fahamalinana, indrindra tamin’ny fahaiza-miaraka, dia andriamatoa rasolomanana sy ramatoakely razanajaza. Izy mianadahy mihitsy no tompon’ny sehatra. Tak 18 ny dihy valsa dia dihy vahiny nampianarin’ireo vazaha tonga teto ny malagasy niara-nonina taminy. Anisan’ny nampianatra izany i m. Dubosc tao ambohijafy. Dihy mahasakodiavatra ny malagasy ihany anefa, satria, mampifampitankisina ny lehilahy sy ny vehivevy, saingy, nony ela dia zatra ka afaka henatra hatramin’ny mpianakavy. Vaky vava hatramin’ingahy dubosc mahay izy roa. Tak 19
Ny olana nosetraina sy ny vahaolana noraisina tsy mora ny nanatontosa ny asa fikarohana, maro ireo olana sy ny sakantsakana nandritra ny fanatanterahana izany ; koa isan’ny olana heverinay fa lehibe tamin’izany ireto ambara manaraka ireto teo amin’ny olana ara-potoana, sarotra ihany ny nahazoanay fotoana tamin’ny tompon’andraikitra samihafa toy ny ben’ny tanàna, ny filohan’ny mpitatitra, ny dokotera, ny talen-tsekoly, ny mpitantana ny lisea, satria maro ny asa sahanin’izy ireo nanano-sarotra ihany koa ny halaviran-toerana, noho ny tsy fisian’ny fiara araka ny filana azy, voafetra ihany mantsy ny ora isian’ny fiara mivezivezy ny toerana misy ny mpanadihady sy ny renivohitry ny kaominina talata volonondry ary ireo fokontany
Araka ny fanadihadiana natao, dia misy karazany roa ny fanafanana omby misy ny fanafanana omby fanao isan-taona. Io no avahanay ny mpanao fikarohana hoe riba fanafanana omby, fomba raikitra fanao isan-taona, amin’ny fotoana voafaritra mialoha. Ireo antony efatra voalohany notanisaina teo aloha teo no anton- javatra anatanterahana azy fangatahana fitomboana, fiarovana, fahafolahan’ny omby ary fisaorana sy fitsofan-drano azy misy ihany koa ny fanafanana omby atao raha misy toe-javatra maika ilana izany. Ireo anton-javatra efatra notanisaina farany tao amin’ny filazana ny antony anatanterahana ny fomba no antony anatanterahana izany, amin’ny fotoana tsy voafaritra mialoha. Ohatra mila afanina ny omby teraka kambana, avy very, narary tampoka, koa amin’io fanafanana omby an-kamehana, izay tsy fanao isan-taona io, dia tsy misy fiomanana manokana atao, fa manatona ny mpimasy, ary manontany azy izay tokony hatao fotsiny ny tompona omby. Ny zavatra tsy maintsy atao anefa
Sedra e, e! Sao dia te hiteny ialahy hoe aleo aho handeha fa tsy misy hialalaovany an’ialahy? Rado tsy hiteny izany kosa aho e, fa hiandry eto foana.
Zetra, antananarivo, tpflm dl 717 05, 2005, 500 pages
Fanangonana tahirin-kevitra misy ny fomba fiasa narindra ahavitana ny asa fikarohana. Toy ny famakiana boky, fitsidihana tranonkala. Misy karazany ny tahirin-kevitra nokirakiraina ao ny an-tsoratra ary ao ny am-bava. Ny tahirin-kevitra an-tsoratra no nahafahana nanovo ny loharanon-kevitra manodidina ny lohahevitry ny fikarohana anatin’izany ireo tahirin-kevitra ao anatin’ny sehatry ny fampianarana, ny boky, ny gazety sy ireo ampahan-dahatsoratra miparitaka eny amin’ny tranonkala. Ary ny tahirin-kevitra am-bava kosa no mameno ny akora nangonina toy ny lovan-tsofina, ny horonan-tsary sns nalaina ny petra-kevitry ny mpialoha lalana, izany hoe notombanana ny asany hahafahana manohy ny asa ary ny fandravonana ny petra-kevitry ny mpikaroka.
Tamin’ny mitataovovonana vao indro reniny miloloha sobiky feno lamba avy nosasana. Eny an-tanany ilay mivimbina harona misy laoka sy vary manta sy harona hafa misy arina hipasohana ireo lamban’olona haody anaka, nihazakazaka i meva nanala ireo entana teny an-tanany oay! Hay i neny nanasa lamba. Reraka izao i neny ô! An! Tsy reraka aho anaka, fa hatokony ao ireo sakafo nentiko ireo hay! Andraso ary e! Lasa izy naka ireo sakafo efa nomaniny, avy hatrany dia narosony oadray anaka! Fa taiza izao sakafo izao? Novidiako ireo ry neny â! Nikarama nantsaka aho dia nahazo vola, mbola misy vary ambiny ao, dia ireto koa mbola misy fameriny ny vola fa ohatrinona no azonao anaka? Efa-jato ry neny â! Nirotsaka ny ranomason-dramatoa ramiary fa nahoana ho’aho no mitomany i neny é? Tsy mitomany aho anaka, ranomasom-pifaliana io satria manan-janaka hendry aho rehefa avy nisaotra an’andriamanitra izy mianaka dia nihinana tamin-joto tokoa. Indray andro nifanao dina ny iray tanàna. Hiady amin’ny fahantrana no tanjona. Novoriana ireo olona vao nasondrotry ny tany izay ivaiva ara-piainana tao an- tanàna rehetra. Ny ankizy tsy nianatra nampianarina handresy ny habadoana sy ny nampianarina asa tànana. Ny vehivavy nasaina niompy akoho sy vorona , ny lehilahy hamboly hanin-kotrana sy anana, vary, ary niompy omby hiasana, sy omby vavy be ronono. Ny vehivavy ihany koa nampanaovina asa tànana, toy
Avia mba hiresaka rapôlisy
Fo iray saina iray fanahy iray
Manohy ny lesona avy hatrany
Ny maraina mahafaly tonga mahamanimanina, fa tsaroana ny fahiny niarahana nitsiky, iry volana baliaka nony sendra mba tazanina mainka mampanaintaina ’zato ’zay mikiky.
Izay ny mikasika ny toetran’ny olombelona izay nasehon’ny mpanoratra amin’ny alalan’ny fanovana endri-javatra. Fa ny manaraka eto kosa indray dia hijery manokana ny fomba nandokoan’i solomona ny toetran’andriamanitra amin’ny alalan’ny fanovana endri- javatra isika.
Dubois r. , 1998, malagasy aho, edisiona md paoly, antananarivo.
Ny anarany aloha, dia ny harivan’iny vao mba nandre azy aho, hoy izy. Raha ny amin’izay tarehiny indray, tsy mbola hitako velively akory. Nangina aho, fahagagana lehibe ho ahy ny nolazainy tamiko; indrindra koa fa be loatra ny tsaho reko, ka tsy sahiko ninoana avy hatrany ny tenin’ny sakaizako. Nandroso ihany izahay. Teo amin’ny kihon- dalana iray, dia iny nisy posiposy 30 nandeha miadana dia miadana. Vehivavy irery hatsatra dia hatsatra sady mahia dia mahia no entiny, mitafy bodofotsy izy io. Olona iray no manaraka mampielo azy. Hita amin’izany fa reraka mafy ilay marary, satria atahorana na dia ny herin’ny masoandro hariva aza. Vao tsy nifanena akory izahay, dia nisy olona iray niato teo ampovoan- 35 dalana, ka nibitsibitsika tamin’ny namany, sady nibanjina fatratra ny sakaizako sy ilay marary eo alohany. Hitako izany, ka niantomboka nijery io olona io aho, fa ninoako ho tena nifosa anay mihitsy izy. Ndeha hilaza ny hitako tamin- dravaly aho, nony tsinjoko tampoka fa niantsambotra ilay marary, raha nandalo anay indrindra. 40 taitra ilay nampielo azy, ka nampijanona haingana ny posiposy, ramatoa marary kosa torana. Nijanona izahay, ary vetivety foana dia feno olona teo anoloanay.
Azo antenaina ny soa tsy ho very
Izy manao izay hidirana amin’ny helo. Ny olona miandrandra hasambarana hatrany,
Ny sarina mpanoratra no anisan’ny misongadina ao anatin’ny boky. Ankoatra ireo sary ireo, dia sary nalaina teo anivon’ny fiarahamonina ny ankamaroany. Misy ihany koa anefa sary hosodoko sy sary natao tanana, saingy vitsy dia vitsy izy ireny. Saika miloko avokoa ny sary hita ao anatin’ny boky. Toy izao no voalazan’i abraham moles ao amin’ny boky nosoratan’i françois richaudeau mandaitra kokoa ny sary miloko atao tohan-kevitra satria manakaiky ny marina na ny tena izy mbola izy ihany anefa no nanao izao fanamarihana izao mazava kokoa anefa ny sary namboarina noho ny sary nalaina izany akory tsy manakana ny fampiasana sary nalaina, na ny sary ampiasaina any amin’ireny sary miaina ireny, rehefa hanao tohan-kevitra. Tsy mitondra na inona na inona amin’ny fahazoana ny hevitra mantsy ny loko ampiasaina amin’ny sary. Very
Fafana 1 fizaran-taona araka ny toetr’andro
Iii.2- dingana arahina amin’ny fahazoana ny fanampiana
Tsy hay izay mety ho nitranga tao an-trano fidiovana tao fa ny hany tsapa aloha, vetivety i nary dia nivoaka avy tao, mety ho ny lamosiny tokoa angaha no nokosehina dia izay? Teo am-pisakafoana dia i noro no nisolo toerana an-jokiny iny alina iny, iriana ho ny seza ihany no soloina fa tsy ny zavatra hafa. Teo dia samy nampiakatra sy nampidina ny sotrony izy roa, variana samy mihaino ny adin’ny sotro sy lovia dia nankafy ity nahandrom-bahiny ny tompon-trano. Noho ny ela dia niteny noro.
Ry sampona ô, mba miesora fa manariva ny olon-kody ; ry mpankahala matahora,
Le changement de l’organisation interne
Efa voatsiahy teo aloha fa sady mpanabe no mpampianatra ratsimba georges. Maro ny sehatra nirotsahany teo ny fanabeazana ny ankizy nanomboka tao an- tokantrano, nitatra teo anivon’ny fiarahamonina sy ny fikambanana ary nipaka hatramin’ny firenena. Tsy nijanona hatreo izany, nitohy teo amin’ny tanora sy ny olon-dehibe. Nisy karazany ny tononkalo nataony tononkalo ho an’ny ankizy, sy ny tanora ary ny lehibe.33
Natiora, zaza navela, seho 5 108natiora, op. Cit. , seho 22 109 natiora, op. , seho 23 110 natiora, op. , seho 24 111 , fizarana ii.1 112baiboly,
Araka ireo voalaza ireo, azo lazaina fa tantara tsy dia mitarazoka loatra no hita ao amin’ireo asa soratr’i faralahy. Misy mihitsy aza ny fotoana dinganin’ny mpanoratra ao amin’ny fitantarana ataony fa ireo zava-mitranga ka misy fiantraikany eo amin’ny tantara ihany no ivalamparany.
Ny fanontaniana tsy miandry valiny
L’essentiel des informations à recueillir provient des documents fiables des organismes et institutions concernés et des centres de documentation de différents ministères. En effet, ces documents ont servi de sources d’inspiration dans la démarche.
Ao ny fandanjalanjan- kevitra miampy famoaboasana ohatra lahatsoratra very hevitra nosoratan’ i guy de princy ranaivo tak. 114- 116 1 nahoana i mompera lyon no tsy nifampidinika tamin’ny ray aman- drenin- drabary, na tamin’ny voalohany, na tamin’ny farany? 2 inona moa no tena maha zava- dehibe ny tantara tahaka itony izy manazava ny fiainan’ny mpanoratra ve? Sa izy ahatakarana ny fiaraha- monina sy ny toe- tsain’ny olona tamin’izany fotoana izany? Sa ny mety ho fifandraisany tamin’ny tantaram- pirenena sy iraisam- pirenena. Voasy ny hevitrao! 3 azo itarina ny fanontaniana mifanaretsaka ao an- tsaintsika eto ka tsy mijanona amin’ny fifandraisan’ny fiangonana sy ny kristiana ihany. Ohatra nahoana aho no manaraka ny finoana tahaka izao na tahaka itsy? Na mirotsaka amin’ny antoko pôlitika atsy sy aroa? Na fikambanana izao sy izao? Na mirona amin’ny hevitry ny firenena ity na iroa? Andramo itarina ireny fanontaniana ireny, ary voaboasy ny valiny!
Fehin’ny toko i hita nandritra iny toko voalohany iny fa manana ny fomba fanoratany ny mpanoratra. Nanamarina izany ny fampiasany ireo feo samihafa sy ireo voambolana isan- karazany, hanehoany ny fahaizany mifantina azy ireny. Tsapa tamin’izany, fa matetika, dia tanora somary mivantambatam-piteny no mpandray anjara ao amin’ny asa sorany. Izany hoe tsy dia tia miolakolaka loatra rehefa misy toe-javatra iray manitikitika azy, fa avy hatrany dia lazainy izany. Fomba iray nataon’ny mpanoratra hisarihana ny mpihaino ho liana amin’ny tantara fandefa amin’ny onjam-peo koa anefa izany, satria maro amin’ny mpihaino no mety tsy hahazo ny tiana holazaina, raha toa ka be loatra ny teny sarotra sy ny fanoharana ampiasaina. Iaraha-mahalala mantsy fa na ny olona monina an-drenivohitra na ny olona monina ambanivohitra, dia samy mankafy tantara avokoa.
Ity asa ity dia maneho ny anjara toeran’ny vehivavy ao amin’ny boky mitondra ny lohateny hoe ilay dinan’ny fitia nosoratan’i esther randriamamonjy. Tanjona tamin’izao asa izao ny haneho fa manana ny herin-tsainy sy ny herim-pony entina hampandrosoana ny firenena ny vehivavy. Ny haitsikera nataon’i claude bremond, nalaina tao amin’ny communication n 8 1966 no nanatontosana ny asa fandalinana. Haitsikera miompana amin’ny haifitantarana araka hevitra izy io; izany hoe fomba fikarohana ny hevitra voizin’ny fitantarana no voaboasany ao ka ahitana ireo lalàna mandrindra ireo zavatra tantaraina. Io koa no nahafahana nisintona ny anjara toeran’ny vehivavy hita tao amin’ny boky i. D. F. Mizara telo lehibe ny asa ka ao amin’ny fizarana voalohany no namahavahana ny tontolon’ny boky i. Ny fizarana faharoa no nanolorana ny firafitry ny tantara foronina. Ny fizarana fahatelo farany no nametrahana ny anjara toeran’ny vehivavy. Voambolana fototra literatiora, tantara foronina, ilay dinan’ny fitia, vehivavy, haifitantarana mpitarika dr. Ravalitera jean rabenalisoa
Kaominina morafeno ceg communautaire morafeno
Ny fampiasana miaraka ny métaphore sy gradation ary antithèse
Ny safo-drano
Ny asa fikarohana atao eto kosa dia manohy ny dian’ireo mpikaroka teo aloha ka anompanana indrindra ny antrôpôlôjia ampiharina amin’ny fampandrosoana nofidina hanaovana izany ny kaominina antanetikely ambohijoky sy ny tetika asa cecam araka izany dia andeha hojerena ny fomba fiatrehana ny asa fikarohana natao.
Besoins pratiques et interets strategiques
Ny fihetsiny manoloana ny enji-dresin’ny fiainana
Ary indray ity tokotany nambolena voninkazo 10-nefa tsy voakarakara ka indreny fa malazo itsy toeram-pilalaovana, zara azo ampiasaina, ka ilaina fanoloana fa tsy vitan’ny hokojaina.
Approche par les compétences
Fehiny amin’ ny ankapobeny
Art, représentation, expression, presses universitaires de france, paris. 128 p.
Drafitry ny asa hozaraina telo miavaka tsara ny asa ny fizarana voalohany no hijerena ny tantaran’nygazety lakroan’i madagasikara. Ahitana toko telo ity fizarana ity toko voalohany ny karapanondron’ny gazety lakroan’i madagasikara, ao amin’ny toko faharoa no hanadihadiana ireo karazan-dahatsoratra hita ao amin’ny gazety lakroan’i madagasikara, ny toko fahatelo ny mombamomba ny mpanoratra. Ny fizarana faharoa no hampahatsiahivana ny zava-nisy sy ny tara-kevitry ny literatiora nialoha sy nandritra ny vanim-potoana 2006- 2009 mbola ahitana toko telo lehibe ihany koa ity fizarana ity. Tao amin’ny toko voalohany fampahatsiahivana ny zava-nisy nialoha ny taona 2006. Ny toko faharoa fitaterana ny zava-nitranga tany ivelany sy teto madagasikara tamin’ny vanim-potoana 2006-2009 ny toko fahatelo fanadihadiana ny tara-kevitra novoizin’ireo tantara foronina. Ny fizarana fahatelo sady farany ny fandalinana ireo tantara foronina izay avoakan’ny gazety lakroan’i madagasikara. Hazavaina ao amin’ny toko voalohany ireo singa telo mandrafitra ny tantara foronina ny mpandray anjara sy ny habaka ary ny fotoana. Toko faharoa fandalinana ny vontoatin’ny tantara foronina. Toko fahatelo sady farany ny fifandraisan’ny tantara sy ny fiangonana katôlika.
Ireo tononkalo roa ireo dia anehoan’ny mpanoratra ny hery, na zavatra anankinan’ny olombelona ny fiainany. Ao amin’ny tononkalo voalohany, abaribarin’ny mpanoratra ao fa misy ny olona manankina ny fiainany amin’ny kisendrasendra, ary ao amin’ny tononkalo faharoa kosa no ilazany fa misy ny manankina ny fiainany amin’andriamanitra.
Oui jirama uniquement 17,72 oui jirama et autres 1,27 oui mais fournisseurs autres que jirama 5,06 non 75,95 zone couverte par le réseau jirama
Promotion 1999 2004 ainga
Denis andriamandroso, 1996 , op cit, in l ’ homme d’ abord, la technologie après , tak 51 quelque soit la nature du problème considéré, i l faut d’ abord se tourner vers l ’ homme. Car le développement même rural, est avant tout une croissance qui commence avec l ’ être humain
Ny mpiavy no nitondra ny fanandroana teto amintsika. Ambaran-drainihifina fa ny arabo izay tonga tany amorontsiraka atsinana sy andrefana no isan’ireo firenena mpiavy. Ny finoana mohamedianina izay naelin’izy ireo no nanjary fanompoan-tsampy teto, nahatonga ny sikidy sy fanandroana, ny mosavy sy ny hitsak’andro .28 izany hoe naka tahaka ny fanaon’ireo mpiavy ireo ny malagasy. Nataony mifanaraka amin’ny fomba fiainany anefa izany avy eo fa tsy nadika fahatany. Koa rehefa manao ny fanandroana izany dia misy ny fijerena andro, izay rahateo no fototry iorenan’ity fomba ity29.
Teny fampidirana ny tantara dia fahalalana ny zava-niseho tamin’ny andro lasa. Miresaka momba izany indrindra ny akora ampiasaina amin’ity asa fikaroahana ity. Ny tantara foronina no nosafidina hiasana. Ny tantara foronina dia zava-kanto iray vokarin’ny saina, mamaly ny filàna marina ary manana anjara asa eo anivon’ny fiaraha-monina1 idt, 1975, tak. 27 notsongaina tamin’ireo tantara foronina maro izay efa nivoaka ho boky ny asa soratry randriamiadanarivo, mitondra ny lohateny hoe vorom-by. Fitaovana iray entina hampitana hafatra sy hanabeazana ary hisintonana lesona eo amin’ny fiainana ny boky ; ndrindra fa ny boky mirakitra tantara toa ity boky ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny asa fikarohana ity. Ny endri-pitantarana nanehoan-drandriamiadanarivo ny tantara foronina vorom-by ny lohahevitra hohalalinina eto. Mizara roa ny mpialoha làlana efa nandinika mikasika ity asa fikarohana vao hatao ity. Voalohany, ireo olona efa nandinika mikasika ny endri-pitantarana anaty lahatsoratra misy fitantarana ka ny haitsikera haifitantarana no lalantsaina nampiasany tamin’izany ramanantenasoa marie clara, nandinika ny angalim-pitantaran’ny faribolana sandratra ny endriky ny fiaraha-monina andavanandro. Asa fikarohana nahazoana ny mari-pahaizana d. E. A tamin’ny taona 2008 rasolomampionona marie claudine, nandinika ny rafitra fototra nanavaka ny tantara foronina malagasy. Asa fikarohana nahazoana ny mari- pahaizana d. A tamin’ny taona 2007 rakotondratsimba edouard nanao ny andrana vakiteny mioriana amin’ny endri-panehoana ao amin’ny valam-pitantaran’ny menarana nosoratan’i emilson daniel andriamalala tao amin’ny revio avoakan’ny sampana malagasy, hiratra laharana fahenina. Faharoa, ireo olona nandinika ny asa soratry randriamiadanarivo 1 le roman est un objet culturel qui répond à des besoins précis et qui remplit une fonction dans la societé il transmet idéologies et fantasmes.
Loharano rabenaivo mampionona fenosoa, jolay 2019
Ny ampanjaka ny anakandria ny zokiolona ny raiamandreny ny zanaka
Manana fomba fivavaka manokana ny tanora sy ny mpanabe salezianina tsotra, hain ny besinimaro. Tsy mijanona amin ny endrika ivelany anefa ny vavaka atao fa iainana sy ivelomana mijery ny tombontsoa ho an ny fiaimpiainan ny tsirairay. Nadikan ny fikambanana ho fiainam-bavaka satria efa napetrak i don bosco hatrizay izany. Mifototra amin ny fiainana ny vaovao mahafaly ny ezaka ataon ny tsirairay ao an-trano ary manatanteraka ireto hasin-javatra manaraka ireto ny fahaizana mihaino, ny tsy fivadihana, ny fahadiovam-po, ny fanoloran-tena ary ny asa fanompoana. Mila mpanoro lalana ny tanora satria mandalo fotoan-tsarotra isan-karazany.
Lafin-javatra roa no enti-mamaritra ny zava-kendrena amin’ny dinika ny tanjon’ny seho mirakitra fifanohinana ary ny anjara toeran’ny dinika ao amin’ny tantara. Ny tanjon ny seho mirakitra fifanohinana rehefa atambatra ny anjara fitenenan’izy roa lahy dia manome ny trangan-javatra izay niteraka ny fahafatesan-dratovo. Azo sintonina avy amin’ny teny ifanaovany ao tokoa ny dingana tamin’izany, manomboka amin’ny fiandohany ary mipaka any amin’ny fiafarany ny fiatoan’ny fanafihana nandritra ny fotoana fohy, ny famelezana fanindroany avy amin’ny faritra hafa, ny fihamaroan’ny fahavalo, ny fifandrozanana amin’ny fiantsoana mpanampy, ny fandrisihan-dratovo an-drasela hanavo-tena, ny fanohizan-drasela ny ady. Izay no ilazanay fa mitantara ity dinika ity. Azo lazaina ho fanoritsoritana ny ady natrehin’izy roalahy koa anefa no raketin’ny dinika. Ireo zavatra tanisaina ao amin’ny fitantarana ireo mantsy dia tsy inona fa ny hetsika mifanesy ataon’ny mpifanandrina andaniny sy ankilany. Miharihary eto izany fa mifanosona ny fitantarana sy ny fanoritsoritana ka tsy hita intsony izay anavahana azy mitantara mivantana izay zavatra iainany izy roalahy sady manoritsoritra ny fizotran’ny ady ifanaovany amin’ny sakalava. Marihina fa miendrika fifandresen-dahatra ilay fifanilahan’izy roalahy hiantso namana, satria nanana ny antony tsy nanekeny handao ny toerana namaharana izy roalahy, ka samy nanao izay hanerena ny iray hiala teo. Ny anjara toeran ny dinika ao amin ny tantara tao amin’ny fizarana 1-fisehoana v tak. 18 no nanapa-kevitra ratovo fa noho ny fitiavany an-dranivo dia hataony izay hahatanteraka ny fanambadiany an-drasela mba ho fahasambarany. Noravany avokoa izay mety ho sakana amin’izany. Ato amin’ity dinika ity dia ny fahafatesana no saika hanembana ny fikasany amin’ny alalan’ny fanafihan’ny sakalava. Nihoarany koa io fitsapana io tsy nety handao an-drasela aloha izy ary nosalovaniny ny lefona natoraka an-drasela. Ity dingana ity izany no anehoan’ny mpanoratra ny endrika fara tampony amin’ilay fampandeferana ny fitiavana ho fanatanterahana ny adidim-pitiavana, dia ny fanaovana sorona ny aina.
Giaisson j et theriault j apprentissage et enseignement de la lecture éd ville- marié laval. 1983 .385 p.
Translation which means that an individual can put a communication into other language, into other terms or into another form of communication. 22 intepretation which involves dealing with a communicaton as a configuration of ideas whose comprehension may require a reordering of the ideas into a new configuration in the mind of the individual.
Fafana 5 ny taham-pitombon’ny mponina
Akany mahafoy olo-manga maro kolon- tsainany matoy nosin- kanto sy mpikalo !
Hetraketraka i sy ii vita soratra ny 1963 sy 1964 , nivoaka ny taona 1966-1967; ilay vohitry ny nofy loka voalohany natolotry ny mineseb , 1970 -antso, 1972; taolambalo nosoratana 1948 , 1972; zazavavin-drano, 1972; komanga, talohan’ny nahafatesany.
Elie rajanarison alatsinainy 14 jolay 1997 00h 30mn hifoha talata.
Dikan-teny
Dingana arahina amin ny fanadihadiana lahatsoratra
An-tampon’ny samy reraka
Raha ny hevitra fototra fonosin’ny fehezanteny no iaingana, dia tsy ahafahana manamarina ny fahafantaran-dratovo an-drasela sy ny fianakaviany ny filazany fa mifanila ny tranon-dry zareo. Ny mampitombina ny fanjohian-kevitra dia ny fifaneraseran’izy roa tonta, izay hevitra ambadika raketin’ny hoe nifanao atsimo sy avaratra ny tranonay izany hoe, rehefa mifanila ny tranony, dia mifanerasera ny olona, ary mifankahalala tsara. Resaka ifanaovan’olon-droa ny ohatra noraisina momba ny fifampiresahana hatreto. Hita ao amin’ny sangy mahery anefa fa miteny irery indraindray ny mpandray anjara fototra. Ny momba izany indrindra no asian-teny manaraka eto. 1.2.3. Ny teny irery
Dia nivory izy tao an-tranon’i kaifa lehiben’ny mpisorona dia tonga tao i jodasy , ilay hamadika an’i zezo ka nanao hoe omenareo hoatrinona aho , dia omeko anareo i zezo avy any nazareta
Ao ny ziogan’ny sarety izay filonjiko hatry ny ela, 10 hanahoana ny hafaliako raha izany no havela. Ka tsy hahitako intsony ny fivatran-dranonorana ny hatsiaka mahangoly, ny hafanana mahatorana, ny fidinana mandavo, ny fiakarana mideza, hasasarana mitohy, kibo mitofezafeza, 15 eny, mbola anampy izany, karavasy fikapohana ’zay miampy fola-drambo nony misy fihitsohana raha samy ho foana izany, hanahoana ny hafaliako ! Aoka hisy ny an-kifidy fa ny ho afaka no tiako.
Maimbo ra ireo mpamono tompon-tany sy vahiny nilofosany aoka izany nifanambazany mihitsy ny handatsaka aina anao lasa ianao! Lasa ianao ilay mahery fo!
Mpamaritra ihany koa izy araka ny hevitra asongadiny satria mipetraka ao aorian’ny anarana ny boky f1 ka manantitrantitra izany anarana izany. Manantitra izy eto satria tsy ny boky rehetra akory no very fa ny boky izay novidin’ilay olona itenenana ihany.
Mitobaka ny fahalalana ary betsaka ny tanora nandalim-pahaizana manokana momba ny fambolena saingy tsy avelan’ireto andian-tantsaha ireto ho raraka an-tany ny fahalalana sy ny traikefa ananan’ireo zoky ray aman-dreny mikasika izany. Ifikarana tanteraka ny fanao navelan’ny razana satria noheverina fa efa nahavita fiainana izy ireo ary efa nisedra olana maro momba ny asa vary ka inoana fa ahitam-pahombiazana ny manaraka ny toro-marika avy aminy. Eo koa ny fiheverana fa ny fanaon’ny ray aman- dreny taloha no efa nampahomby azy tamin’ny asa ka tsara raha arahina hatrany. Vitsy ihany anefa ireo mihevitra izany satria ny ankamaroan’ny tantsaha dia efa nampifangaro ny toro-lalana avy amin’ny zoky ray aman-dreny sy ny fahalalana vaovao nentin’ny fiovana avokoa. Hita fa ireo zokiolona no mbola mitazona ny fomba fanaon’ny razana ka mitandrina fatratra ireo fady maro navelan’ny razana. Ireo izay efa nahazoazo taona, tsy dia nandia fianarana firy fa tamin’ireo ray aman-dreny lehibe no nandray fampianarana sy fahalalana ka mifikitra tanteraka amin’izany. Ny fombafomba sy ny fady no tena hahatarafana izany fifikirana izany. Anisan’ny mahatonga azy ireo mifikitra amin’ny fomba navelan’n’y razana ny fanajana ireo loharano nipoirana izay tompon’ny harena ka tokony omen-kaja sy voninahitra izy ireo noho ny soa nomeny. Eo ihany koa ny fiheverana fa ny fomba vaovao nentin’ny vahiny ohatra ny fivavahana kristianina dia tsy fivavahan-drazana fa an’ny vazaha ka tsy manaraka izany fa ny fanaon-drazana ihany no tazomina. Eo koa ny
Isan’ny takila 88 isan’ny fafana 8 isan’ny kisary 6 isan’ny sary 4 famintinana filàna fototra iarovana ny ain’olombelona ny trano onenana, ary ho fitsimbinana ny aina indrindra ny fototry ny fanadihadiana momba ny fanandroana mahakasika ny trano hita ao amin’ny kaominina ambohitrandriamanitra ny mpanandro no mandray an-tanana ny fandaminana ny vintana sy ny tonon’andro amin’ny alalan’ny fifehezany ny habaka sy ny fotoana eo amin’ny fanorenan-trano. Asa fikarohana amahavahana ny teti-panandroana, mba isongadinan’ireo soa sy fanambinana miditra ny tokantrano tsirairay izy ity, ary koa torofomba omban-toromarika mikasika izay tsara ho fantatra momba ny tandindona raketiny. Fomba nentim-paharazana ifangaroam-pinoana ny fanandroana ; vokany, tsy takona afenina ankehitriny ny fampivadiana ny finoana nentin-drazana sy ny finoana kirisitianina.
Araka izany, ny fanontaniana fototra no azo ambara fa fitaovana famakiana lay ny dinidinika ifanaovana, ary hiankina amin’izany indrindra ny fivoaran’ny fifampiresahana.
Raha fintinina izay voalaza tamin’ny fandalinana rehetra natao tato amin’ity fizarana fahatelo sady farany ity dia azo ambara fa tsy mitovy ny iainan’ny mpianatra ny sekoly ambaratonga faharoa. Tato anatin’ity fizarana ity isika dia niezaka nampitaha ny tsy fitovian’ny zava-misy iainan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ao amin’ny lisea mahitsy amin’ny zava-misy ao ambohimanarina. Na inona na inona anefa mitranga eo amin’ny fiainany dia misy fiantraikany eo amin’ny fianarany izany. Tamin’ireo kilasy faharoa, tao amin’ny lisea mahitsy, izay nanaovana ny fandinihana dia nahita karazana tsy fahombiazana isika toy ny fahazoana isa ratsy, fialana an- daharana ary famerenan-taona. Antony maro no nitarika izany rehetra izany. Ankoatra ny hoe mpianatra sasany tsy miara-mipetraka amin’ny ray aman- dreniny dia anisan’ny olana mitranga eo amin’ny mpianatra ihany koa ny tsy fahampiana ara-bola. Mampanaotao foana izany araka ny fitenenana hoe ny tsy fananana mahazaka maniraka tsy lafiny toe-karena ihany anefa no misongadina fa tsy azo odian-tsy hita ihany koa ny fiainam-pianakaviana iainan’ny mpianatra izay mahatonga azy ireo tsy ho ampy fitiavana amin’ny farany. Manampy trotraka ny olana eo amin’ny fahasamihafana izay mitarika azy ireo tsy hifantoka tanteraka amin’ny fianarana ihany koa. Matetika dia ireo vitsy an’isa hatrany no misedra olana ao anatin’izany.
Betsaka tamin’ny fanazavana ambava natao tamin’ireo ray aman-dreny, tao ihany koa ny micro sy ny baffle izay nanamafy ny feo ho ren’ny olona rehetra izay manatrika, mbola tao ihany koa ny solosaina izay nanampy ny mpampiofanana teo amin’ny fanatontosana ny famoahana azy ho an’ny mpiofana. Ny rafi-pamantarana dia ireo ombona ahafahana miresaka, dia ny teny malagasy madio no nampiasaina, io dia isan’ny ezaka nataonay nanao fozaran’asa tao amin’ny sfe ary hita fa nampahomby tanteraka ny fiseraserana satria azony tsara ny tiana ho ampitaina aminy. Ny hodidina eto dia mipetraka tsara tokoa izany tontolon’ny fifandraisana amin’ny mpandefa sy ny mpandray izany satria ny toe-java-misy dia niraisana tamin’ny ankapobeny.
Fafana 2 fafana maneho ny kaominina valo mandrafitra ny disitirikan’i soanierana-ivongo 16 fafana 3 fafana maneho ny isan’ny trano ao antananambo 18 fafana 4 fafana maneho ny isan’ny mponina antananambo 22 fafana 5 fafana maneho ny vidim-bokatra 3taona tao antananambo 28 fafana 6 fafana maneho ny isan’ny mpiangona araka ny fiangonana misy azy avy 44 fafana 7 fafana maneho ohatra amin’ny ody fampiasa andavanandro 45 fafana 8 fafana maneho ny isan’ny mpianatra sy ny mpampianatra 47 fafana 9 fafana fampitahana ny endrika isehoan’ny malo fitsarana ara- piarahamonina sy ny fitsarana ara-panjakana 130 fafana 10 fafana fampitahana ny malo sy ny zava-misy eny amin’ny lycée 137
Ny 17 may 1998, niroso tamin’ny fifidianana solom-bavambahoaka ny firenena. Nandresy ny arema tao amin’ny antenimieram-pirenena. Ny 14 novambra 1999 kosa no natao ny fifidianana ny ben’ny tanàna manerana ny firaisana. Anisany nirotsaka teto antananarivo atoa marc ravalomanana izay nanana ny teny faneva azy manokana manao hoe tiako iarivo
Tsy afa-belan-drisarisa
Araka ny hita eto dia tsy voahajan’ny poeta ny fifandimbiasan’ny ngadona ? Sy ny tsaika ? Ao amin’ireo andinin-tononkalo roa ireo. Tsy mitovy koa ny isan’ny vanin-danto hita isan’andalana indraindray.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
Toy izany no hita ao amin’ny a. P aza atao tsinontsinona ny hazomanga fa ireny no tandroka aron’ny vozona a. P 104 ao amin’ireo, re mihamafy ny akon’ny fandavana ilay asa. Araka izany, mampafonja kokoa ny hevitra ary manery ny mpamaky tsy hanan-tsafidy ny fampiasana ny aza miampy matoanteny ankoatra ny sehatra na mpanao.
Fehezan-kevitra mifampiankina ireo fehezanteny efatra ireo satria samy ahitana fehezan-kevitra ampifandraisin’ny mpampiankina avy. Ao amin’ny fehezanteny voalohany dia ny mampiankina fa no mampifandray ny fehezan-kevitra. Ao amin’ny fehezaneny faharoa dia ny mpampiankina satria no mampifandray ny fehezan-kevitra. Ao amin’ny fehezanteny fahatelo dia ny mpampiankina toy izay no mampifandray ny fehezan-kevitra; ary ao amin’ny fehezanteny fahefatra dia ny mpampiankina satria no mampifandray ny fehezan-kevitra. Samy manana ny heviny daholo ireo mpampiankina ireo ka ny fa dia milaza fanambarana, ny satria dia milaza anton-javatra ary ny toy izay dia milaza fampitahana.17
Ny fantsika, izay mponina avy amin’ny faritra hafa. Sady tsy gadra no ihany koa tsy ankohonan’ny gadra. Napetraky ny fanjakana tany. Ankoatra ireo dia nisy mpiasa mpitrandraka sokay tsy nitoetra naharitra.
Fizahan-takila teny mialoha 2 teny fampidirana 3 fizaràna voalohany, ny mpisolo tena mahaleo tena 7 i- ny mpisolo tena mahaleo tena 8 i-0 fanamarihana ankapobeny 8 i-1 ny fiovana endrika araka anjara asa 9 i-1-1 ny lazaina 9 i-1-1-1 amin’ny teny malagasy 9 i-1-1-2 fanamarihana 11 i-1-1-3 amin’ny teny swahili 12 i-1-2 fameno 19 i-1-2-1 amin’ny teny malagasy 19 i-1-2-2 fanamarihana 21 i-1-2-3 amin’ny teny swahili 21 i-1-3 ny filazana fananana 23 i-1-3-1 amin’ny teny malagasy 23 i-1-3-2 amin’ny teny swahili 28 i-1-4 ny mpanondro 36 i-1-4-1 amin’ny teny malagasy 36 i-1-4-2 amin’ny teny swahili 37 i-1-4-3 fanamarihana 40 i-2 famaranana 41 fizaràna faharoa, ny mpisolo tena mitampisaka 43 ii- ny mpisolo tena mitampisaka 44 ii-0 fanamarihana ankapobeny 44 ii-1 fiovana endrika araka ny tsinjara toerana 45 ii-1-1 ny mpisolo tena mitovona 45
Ny elanelam-panahy
Mikatona mikatona tapany an-tsisiny amolotra anify an-dohala nilany an-danilany malemy am-para- tenda aloha afara misokatra 29
Ny finoana nentim-paharazana na dia eo aza ny fibosesehan’ny karazam-pinoana vaovao miditra eto madagasikara, dia hita fa mbola maro amin’ny malagasy no tsy nanary ny finoana nentin-drazana. Saingy noho ny fanjakazakan’ny fivavahana kirisitianina, izay miroborobo ihany koa any amin’ireto toerana nanatanterahanay ny fanadihadiana ireto, dia tsy miharihary loatra ireo mpitazona ny nentin-drazana. Ny mbola fisian’ny toeram- panasinana toy ny doany, ny fisian’ny mpitsabo nentin-drazana anefa hatreto dia manaporofo ny mbola tsy fahalevonany finoana nentin-drazana tanteraka. Misy doany24 roa ao amin’ireto faritra nanaovana ny fanadihadiana ireto. Ny iray voalohany dia ao amin’ny tendrombohitra antsoina hoe filaonarina. Ny mponina ao amin’ny tanàna voalohany nanaovana ny fanadihadiana ambohijanaka no tompony. Ny doany faharoa kosa dia ao amin’ny faritra baiboka atsinanana, ao amin’ny tendrombohitra antsoina hoe betainamboa no misy azy; ka ireo mponina ao ireo no mampiasa azy. Tsy toerana voajary, misy trano na fasana tahaka ny fahita mahazatra no tondroin’ireo mponina ireo ho doany amin’izany. Eny an-tampon-tendrombohitra no misy azy, ary vato mifanongoa maromaro no hita eo aminy. Misy vahona maniry eo amin’ny ilany avaratra atsinanana, ary voadio ny manodidina azy. Ankoatra ireo vato mitoetra eo ireo, dia ahitana karazan-javatra samihafa ihany koa eo amin’ny doany. Ireto zavatra ireto matetika no hita ao ram-biby efa maina eo ambonin’ireo vato, tavoahangy samihafa misy toaka, vola vy vitsivitsy misisika ao anelanelan’ireo vato mifanongoa, vatomamy ity sary manaraka ity no maneho ny endrikendriky ny doany any amin’ireo faritra nanatanterahana ny fanadihadiana ireo.
Mpitarika andriamatoa razanajato louis de gonzague maître de conférences
Dictionnaire vakoka, des synonymes malagache traduits en français, librairie mixte, 2006, 320 t.
Nony tonga ny ampitso, ’ndreo ny vorona avy nandro ’ndreny koa ny mpivahiny efa valaky ny andro , nefa samy velon-tsento, fa tsy teo ’lay nantenaina hany sisa mba tavela, dia ny ravin-kazo maina
Ny hany nisongadina teo amin’ny lafiny toe-karena dia ny fizaran’ izao tontolo izao ho roa dia ny tontolon’ny mpanan-karena sy ny tontolon’ny mahantra. Ireo firenena manan-karena dia nanao fampandriana adrisa tamin’ny alalan’ireo fanampiana toy ny fampisamboram-bola tany amin’ny firenena sahirana. Na dia nisy aza ny fanampiana maro azo tamin’ireo firenena manan-karena dia tsy foana ny fanjahantany fa niova endrika satria ireny fanampiana ireny dia nilana tambiny avokoa
Lah. 539, 18 febroary 1968.
Diso paika mantsy ianao toa fanoro-matimbela ny lalanao asiana olona izato tenanao jerena.
Ny varotra
Raha fintinina izany dia manana ny teknikan’ny poezia, araka ny fiheverany azy manokana i cfrlr. Naseho teo ny lanja ny fandaharan-teny, ny fandanjana ny laharana. Nomarihina ny fisian’ny teny fanao amin’ny andro iray; naroso ny karazan- dahateny sy ny tara-kevitra nifotorany izay maneho ny vanim-potoana niainany, faha mpanjaka indrindra indrindra. Nivohitra tamin’izany ny hatsaran-tarehin’ny tontolo maneho ny voninahitr’andriamanitra izay nivavahana. Fa hodinihintsika amin’ny toko manaraka indray ny amin’ny haifizaka araka ny nanorenan’i cher frère louis rapha l rafiringa azy.
Izany hoe fanahin’olona ratsy fanahy fony mbola velona tet? Ambonin’ny tany no zary do ao bejiro io. Raha atao indray mijery àry ireo voalaza ireo dia tsapa fa ny do ao bejiro dia fanahin’olona efa maty taloha be tany, ka miara- mitoetra amin’ireo hery tsy hita maso toy ny raza ao anaty lavabato. Amin’ny maha efa razana azy koa dia miara- misahana ny asa izay sahanin’ireo raza ao anaty lavabato koa izy. Rehefa lehibe loatra ka efa lasa fa àny dia mody any an-dranomasina rehefa misy oram-be miteraka tondra-drano ka antsoina hoe trozo. Manoloana izany anefa dia miforona ho do kely indray ny fanahy fa tsy miaraka amin’ilay trozo any an-dranomasina.
François mauriac dia milaza fa maka endrik’olona tanteraka ny mpandray anjara, saingy tsy olombelona nofo aman-dra fa olona namboarina sy noforonina ihany38. Midika izany fa ny mpandray anjara dia olona foronin’ny mpanoratra hampiaina ny tantara. Ao anatin’ny tantara ihany no isehoan’ny maha olona azy, saingy ataon’ny mpanoratra toy ny olona tena izy. Misy karazany telo miavaka tsara ny mpandray anjara ao amin’ny tantara foronina, miankina amin’ny anjara toerana tazoniny avy ny mpandray anjara fototra, ny mpandray anjara mpanampy ary ny mpandray anjara ravaka.
Ny momba ny mpanoratra
Tantarany ny lasn dia niorina tamin ny taona 1995 araka ny fanomezan-dalana laharana 99 323 ny 16 aprily 1998. Tale efatra no efa nifandimby nitantana ity sekoly ity hatramin izao ka ny tale telo farany no nahazoanay angona ny momba azy ireo. Voalohany amin izany dia andriamatoa rarivoson ruphin guy efa maty , nanaraka azy andriamatoa ratsizakaina abelison ary ny fahatelo sady farany izay tale ankehitriny moa dia ramatoa ranaivoson honora felicité. Toerana manan-tantara ity sekoly ity satria dia lalana lalovan andrianampoinimerina rehefa miakatra eny amin ny rovan ilafy izy. Toerana fitsangantsanganany ihany koa ity toerana ity fahiny sady filalaovany fanorona. Ity sekoly ity ihany koa no lisea voalohany niorina tato anatin ny fari-piadidiam-pampianarana avaradrano ka izany no nahatonga azy nampitondraina ny anaran andrianampoinimerina10. Natao izany mba ho firariana ny sekoly hanana fahendrena sahala ny amin ny mpanjaka.