text
stringlengths
9
415
label
stringclasses
2 values
Nanala ireo vato sy biriky ny avy ao amin’ny 5UPC Antsirabe.
negative
Hitohy eny Anjanahary anio ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, ha­nentanana ny mponina rehetra eny amin’ny manodidina.
positive
Nirimorimo ny lamasinina voalaza fa hitondra fanovana tamin’ny faran’ny taona sy ny fiandohan’ny volana janoary.
negative
Karazana fifaninanana koa io fotoana io teo amin’ny samy orinasa amin’izay fandraisana mpiasa ao aminy.
positive
Ha­namafy ny fandrindrana ny asa eny ifotony koa satria rehefa tonga ny rivodoza, simba ny fihariana sy ny fotodrafitrasa toy ny lalana, tohodrano, tetezana… ka sahirana ny vahoaka.
positive
Tratran’ny Andrimasom-pokonolona anefa izy io ary nomena ny mpitandro filaminana.
positive
Tsy ahafahan’ny firenena mahantra mampiasa vola mi­tondra fampandrosoana ny trosa miavosa mihatra aminy.
negative
Hentitra ny fanajana ny fepetra rehetra hisorohana ny fifindran’ny valan’aretina amin’ny marary sy ny manodidina.
positive
Araky ny fanadihadiana nataon’izy ireo, “tsy nisy nahalala akory ny fisian’io grenady io sy izay mety ho tompony ry zareo tompon-trano”, hoy ny fanazavan’ny zandary.
negative
Naato kosa ho an’ireo faritra iva voatery mandeha tetezana ny lalana mandeha any an-dakilasy.
negative
Miisa efatra ny lozam-pifamoivoizana nanimban-javatra.
negative
“Indraindray isika variana amin’ny hoe fampantenana”, hoy izy.
negative
Nahitana fiakarany  ny  tahan’ny olona nanatona hopitaly  tamin’iny  andro fety iny.
negative
Manoloana izany, efa manao ezaka ny mpitandro filaminana misava ny taratasin’ny fiara sy ny mpamily, indrindra ireo fiara mpitatitra olona.
positive
Tsy aleo hazava ny amin’izay rehetra izay?
negative
Teo koa ny trafikana rongony mahery vaika, hosoka sy fa­naovana hosoka ary ny fanodikondinam-bola tamina orinasa.
negative
Tsy nandeha ny zotra na­nomboka ny jolay 2022, taorian’ny fitokonana nataon’ ny mpiasa satria tsy voaloa ny karaman’izy ireo.
negative
Laharam-pahamehana ny vehivavy
positive
Marihina fa ankoatra ny resaka heloka bevava amin’ny trafika sy fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika, mbola misy ny fandikan-dalàna amin’ny resaka asany eo anivon’ny polisim-pirenena.
negative
Niavaka ny fanamarihana izany ny faran’ny herinandro teo, satria maromaro ireo fandaharana manokana nahitana indray ireo endrika vitsivitsy nanamarika izany TVM izany.
positive
Amin’izao vanim-potoan’ny orana izao, mahatsiaro ho sahirana mafy ireo mpiandry marary hafa izay tsy maintsy miandry ny iraka tsy maintsy hatao any ivelany (fividianana fanafody, sakafo, fanaovana ny karazana fitiliana,  kojakoja ilaina tampoka…) satria tsy misy fialofana manokana ho azy ireo.
negative
Tsy lasa lavitra izany satria tratra toa azy mirahalahy ireto hatrany.
negative
Mahakasika ny vinavinan’ny tonon-taona ho an’ny telovolana voalohany, febroary, martsa, aprily 2023 kosa dia vinanina hifanaraka na hanatombo noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana saika manerana ny Nosy an­koatra ny any Alaotra Man­go­ro, Analanjirofo, Atsi­nanana, Analamanga sy ny tapany atsimon’i Sava sy Sofi...
positive
Ho fetin’ny baolina kitra ny eto Madagasikara amin’ ity asabotsy ity, amin’ny fanarahana mivantana ny dingana ampahefa-dalana, hiadiana ny ho tomponda­kan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”, tanterahina any Al­gérie.
positive
“Ahina ho nikasa handroba ity havany ity izy sy ny mpiray tsikombakomba taminy saingy nivadika ireo jiolahy namany.
negative
Totoafo ny fanafihana senegal ary tao amin’ny sisiny havanana nisy an’i Avi­zara hatrany no niainga izany.
negative
Tranga mampalahelo.
negative
Angatahiny sy irariany ny tokony hanehoan’ny mpanao politika firaisankina, fa tsy hanao fitiavan-tena hanapotika indray ny tanindrazana.
positive
Nisy ny fanentanana nataon’ny lehiben’ny toby ka nanapa-kevitra ny hiroso izy ireo hanaporofoana ny fampanarahan-dalàna ny tokantranony.
positive
Asa izay mbola iandraiketany hatramin’ izao, toy ny famonjena re­hefa sahirana vokatry ny fiakaran’ny rano ny mponina tao Mahajanga.
positive
Koa amin’izao fotoana izao, misy ny hoe fanahiana: inona no ahiana?
negative
Ny fomba malagasy ange enti-mandala ny soatoavina hoe mandala ny hasin’ny razana, tia fihavanana…
positive
Tsy hita ny nalehan’ ny iray hafa.
negative
Layth Al-Falaki, Filoha tale jeneralin’ny GuarantCo : «Faly izahay nahavita ny andiany faharoa niaraka tamin’ny NEA, avy amin’ny vola eto an-toerana.
positive
Tena nisy ve?
negative
Tsikaritry ny fokonolona anefa izy ireo.
positive
Nahave­lom-bolo azy ireo ny taham-pahombiazana satria tafakatra hatramin’ny 95% izany ta­min’ireo zanankazo novolena, tamin’ny taon-dasa.
positive
Nahazo ny sisin-dalàna ka nilatsaka tamin’ny tatatra anefa ny kodiaran’ilay fiara karetsaka, io nitarika ny fivadihany.
negative
Mpanangom-baovao efa nanara-maso hatry ny ela no nahafahana niroso tamin’ny fisamborana.
positive
Eo amin’ny laharana fahatelo kosa ny misy an’i Stefanos Tsitsipas.
positive
Mpanakanto avy amin’ny firenena maro, toa an’i Belgique, Chili, France,  Congo, Gabon, Ghana, Haiti, Inde, Indonésie, Mexique, Niger, Phillipines, Sénégal, Afrique du Sud, Sri Lanka, Maroc, sns, no nandefa ny sanganasany hifaninana tany, ka efa nisy ny sivana mialoha nataon’ny mpikarakara tamin’ny taona 2020.
positive
Efa nitondra fanampim-panazavana mikasika ny raharaham-pirenena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, saingy tsy araka ny niandrasana azy ny vontoatin-dresany.
negative
Tandindomin-doza !
negative
Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy nisy bala kalibra 12 ity olon-dratsy ity, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny polisy any an-toerana.
negative
Niavaka ny zava-bitan-dRakotojohary Juan (Tovonen Jr), teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja Slalom, ho an’ iny taona 2022 iny.
positive
Vonona ny mpanakanto, mpandray anjara, hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy marobe.
positive
750 ny olona voaporofo fa nitondra ny tsimokaretina tao anatin’izay telo taona nisian’ny valan’aretina Covid19 izay.
negative
Iny Can 2022 iny izany no vokatra tena ratsy indrindra teo amin’ny tantaran’ny Barea de Madagascar, taranja baolina kitra lalaovina ambony fasika.
negative
Marina fa anisan’ny firenena efa tena lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro isika, miova ny tetiandrom-pambolena.
negative
Tamin’ny taona 2010 no niforona ny lalam-piofanana « transit et douanes » teo anivon’ny In.Institut Su­périeur Polytechnique des No­vateurs de Madagascar.
positive
Tsy maharaka ny fitombon’ny mponina afaka miasa ny tolotr’asa.
negative
Namba­ran’ izy ireo tamin’izany fa adidintsika ny manara-maso ny fifidianana ary zontsika ny mifidy.
positive
Marihina fa miakatra ho 800.000 Dolara na 3.680.000.000 Ar kosa ny lela-vola ho rai­sin’izy ireo raha sanatria resy eo amin’ny lalao famaranana.
positive
Eo ihany koa ny seho izay nampiavaka ny mpanakanto tsirairay, nahafantaran’ny mpankafy azy.
positive
Noho izany, nanararaotra izy sady nampihorohoro roa lahy sendra hitany.
negative
Vokany, nitsambikina ny iray tamin’ireo mpandeha vao tafavoaka ny vinany ny sambokely.
negative
Izay no manahirana antsika eto amin’ny fire­nena.
negative
Eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ny basikety.
positive
Mbola misy ny fanantenana sy ny herjika, hivoahan’i Madagasikara amin’izao olana isan-karazany izao.
positive
Nahatratra 14 ny olona tsy hita popoka lasan’ny rano tao anatin’ny faritra miisa valo ka anisan’izany teto Analamanga.
negative
Narahina ny lamina rehetra amin’ny famoahana boky…
positive
Na­neho ny heviny sy nanaitra, manoloana ny raharaham-pirenena eto amintsika ny minisitra Frantsay misahana an’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny, ny senatera Repobli­kanina Étienne Blanc.
positive
“Mila politika sahisahy sy hentitra ny fitantanana ny firenena indrindra fa amin’ ny fitsinjarana ara-drariny ny volam-panjakana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao eny ifotony”, hoy ihany izy.
positive
Araka ny vaovao avy any amin’ny Jirama, may ny taribin-jiro any ambanin’ny tany, tao amin’ny toby mpitsinjara herinaratra etsy Ambodivona, vokatry ny ora-mikija.
negative
Hanatanteraka ny asan’ny mpamonjy voina na « sapeurs pompiers » izay tsy misy ao an-tampon-tanàna izany.
positive
Namoy ny ainy vokatry ny vono sy fandrobana nataon’ny jiolahy ni­tam-basy ny teratany sinoa iray mpivarotra etsy Beho­ririka, tao Fitraofana, afakomaly.
negative
Raha misy izay, atao aloha izay hahazoana na hamerenana azy ireo amin’i Madagasikara; avy eo, ho hita izay hanaovana azy.
positive
Voan­kazo « malemy » mila tsara fiarovana.
positive
Mahatratra 600 Ha ny tanimbary safotry ny rano ka simba ao ny vary.
negative
Nandritra ny fanadihadiana, nilaza izy fa horaisina any amin’ny tompony ao Betroka ny antontan-tarata­sin’ireto entana ary hoentina any Antananarivo.
negative
Aparitaka amin’ny manodidina ny toe-tsaina tsy mandala na mety hampisy herisetra, miitatra tsimoramora amin’ny hafa sy ny rehetra.
positive
Efa nampiakarina ho 20% amin’ny tetibolam-panjakana no natokana ho an’ny fanabeazam-pirenena.
positive
Hanarahana maso hentitra ny fifidianana, manomboka any amin’ny lisi-pifidianana, ny fiatrehana ny fifidianana, ny fanisam-bato, ny famoahana ny voka-pifidianana.
positive
Tafiditra amin’ny vina handrakofana ala izany.
positive
Hita fa latsaka ankate­rena ny firenena.
negative
Tazan’ireo mpanjono ny lehilahy iray tao anatiny, noentin’izy ireo izy ka avotra.
positive
Fan­ka­la­zan’ireo ankizilahy, efa natao fahasoavana fito taona lasa, nantsoina hoe «Sambatra».
positive
Etsy an-daniny, sambo mpiandry morontsiraka any Seychelles  PS Etoile nanao fisavana sambo mpanjono roa tany any an-toerana, ka hita fa tsy ara-dalàna koa izany .
negative
Notakin’izy ireo ny ha­nesorana amin’ny toerany ity mpitantana ny faritra ity.
negative
Nanao fanadihadiana sy fikarohana mahakasika ny fisian’izy ireo, arak’izany, ny teo anivon’ny polisim-pirenena.
positive
Fandresena fahatelo izay no azon’i Van Beveren, nandritra ny fifaninanana “Rally Raid” nataony.
positive
Misy andraikitra koa ho an’ny olom-pirenena.
positive
“Amin’ny ankapobeny, ny ady tany sy ny olana goavana amin’ny karaman’ny mpampianatra Fram tsy azo, ny vola fisotroan-dronono diso kajy, ny faktiora tsy voaloa amin’ny sehatra sasany…
negative
Efa betsaka ny fanentanana ny amin’ny tokony hanatonana fokontany.
positive
Latsaka an-katerena ny firenena, efa manomboka banky rompotra ny kitapom-bolam-panjakana.
negative
Marihina fa mitovy izany ny amboara “Grand Chelem” azon’i Djokovic sy Rafael Nadal, mpilalao espaniola laharana fahenina amin’ny ATP.
positive
Efa nifarana ny fanisana mpifidy mitety ny isan-tokantrano.
negative
Izany hoe, manomboka miamboho adidy sy tsy mahefa andraikitra izany ny lehilahy malagasy ankehitriny.
negative
Nanambara ny mpisolovava azy, Me Rafidison Eric,  fa nahazo didy tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara izy tamin’ny 11 janoary 2023 lasa teo.
negative
Nahitsy sy hentitra tanteraka ny hafatra.
positive
Midera azy roa vavy aho, fa tsy moramora ny nifanandrina ta­min’ireo mpifaninana izay tena efa voky traikefa ma­neran-tany.
positive
Anisan’ny toerana dibo-dra­­no foana ao Maroantsetra re­­hefa misy ny androratsy ma­ndalo ao Analanjirofo.
negative
Niharan’ny daroka izy, saingy tafaporitsaka tampoka teny an-dalana ho any amin’ny biraon’ny polisy.
negative
Toe-javatra mahakivy raha jerena amin’ny fomba miiba.
negative
Azo lazaina fa matoky ny rafitra iraisam-pirenen’ny taranja baolina kitra malagasy ny federasiona misahana ny baolina kitra eran-tany na ny Fifa.
positive
Araka ny fanazavan’ireo manodidina, noho ny fihinan’ireto fianakaviana ireto henan-kisoa no niteraka ny loza.
negative
Anisan’izany ny nanakianany ny fandaharanasa, lalambe migodana, Antananarivo – Toamasina.
negative
Nam­barany fa ireo olona marary mila mitsabo tena any ivelany sy ireo mpamita iraka voa­porofo ara-taratasy ihany no afaka mangataka pasipaoro.
negative
Tsiahivina fa efa resin’i Soeda teo amin’ny lalao manasa-dalana “Euro Handball 2022” lehilahy i Frantsa, tamin’ny isa 33 no ho 34.
negative
Tsy maintsy misy ny fifidianana ary efa mi­vonona amin’izany ny Ceni.
positive