url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ilay-nofim-pitia
Ilay nofim-pitia
Ny Kanto
Ny seho hitako dia endrika iray Mahafatifaty, tsy aritro loatra izy izay Manaitra avy hatrany, tsy tsapany akory Ilay foko midobodoboka, tia, fo torotoro Ilay endrika hitako toa mihoatra lavitra Ilay fanantenana noraiketiko ela tam-po Tojo radom-pitia sa voasary manitra ? Ravaky ny fo, Ny Aina fanomezan’ny lanitra Ilay Malala hitako, niresaka tamiko Anilako eo, nijoro, nisafosafo, nanambitamby Ireo teny mamy nitory fitia nambarany ahy Dia santa-pitia sahadin’ilay hiainanay Ireo molotra hitako, izy namihina ahy Sadaidaikatra, menatra, tsy sahisahy Miara-paly sy mankafy, nanorok’ahy Tanteraka ilay nofinofy, ho iray sy hiara-dia Ny hany neniko dia ny fifohazako Nanapaka teo ilay nofy mba tazako Ka ity tononkalo ho fankasitrahana sy ho fangatahana Miverena matetika, hoy ilay antsom-pahasambarana Dihim-pitiavana no hozaraina, tsy mba hifarana raha miara-mijanona Ny lanonan-tsy ho lava, ho vita sy ho tapitra foana Raha toa tsy hitoetra ka ho faranana ho nofy foana Nefa kosa hono tsy mba nofy ny fifaliana Ka raha hanofy ihany aho dia hifaly aminao Hanenjika anao isan’alina, isan’andro izao Aleoko tokoa ho fenoim-pitiavana avy any aminao Dia ho adala manam-po sy fitia tafahoatra Toy izay adala tsy manana, tsy hahita anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/toroka-1
Toroka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TOROKA Tsy haiko Ramose, fa ilay madama iny Dia tiako homena tsiny ! Fa hatramin’ny herintaona izy no toa hafahafa Raha izaho no mitafa Sy mba manontany, dia… zara raha mamaly Sy hita hoe : “TSY FALY” Ka tsy haiko Ramose, fa ilay madama iny Dia tiako homena tsiny ! Tsy haiko koa na izaho, no halany fa malina Sy tia mandalindalina; Ka sao hitovy aminy ny fantatro sy ny haiko, Nefa …asa… tsy haiko !!! Fa rehefa izaho no resy, dia hainy manakora, Fosainy moramora; Ka tsy haiko koa na izaho no halany fa malina Sy tia mandalindalina !!! Izao raha miditra izy, dia tsy miteny gasy Mankato an-dakilasy, Ny fampianarany aza toa tsy mazava intsony Fa zary lasa ambony; Dia mino izy angamba, fa tsotsora-kay Satria maharesy anay… Ka izao raha miditra izy, dia tsy miteny gasy Mankato an –dakilasy Faribola SANDRATRA Antananarivo In- TANAN-DAVA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raozy
Raozy
raozigasy
Raozy. . . Raozy sisa hitanisa ilay fitia Voninkazo izay halazo tsy ho doria Dia sento koa fa tsy hanindroa hiriaria Fa hanadino sy tsy hino fa nitia Dia tso-drano fa angano irony lasa Veloma ihany fa tomany no handatsa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/toroka-2
Toroka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TOROKA Tsy haiko Ramose, fa ilay madama iny Dia tiako homena tsiny ! Fa hatramin’ny herintaona izy no toa hafahafa Raha izaho no mitafa Sy mba manontany, dia… zara raha mamaly Sy hita hoe : “TSY FALY” Ka tsy haiko Ramose, fa ilay madama iny Dia tiako homena tsiny ! Tsy haiko koa na izaho, no halany fa malina Sy tia mandalindalina; Ka sao hitovy aminy ny fantatro sy ny haiko, Nefa …asa… tsy haiko !!! Fa rehefa izaho no resy, dia hainy manakora, Fosainy moramora; Ka tsy haiko koa na izaho no halany fa malina Sy tia mandalindalina !!! Izao raha miditra izy, dia tsy miteny gasy Mankato an-dakilasy, Ny fampianarany aza toa tsy mazava intsony Fa zary lasa ambony; Dia mino izy angamba, fa tsotsora-kay Satria maharesy anay… Ka izao raha miditra izy, dia tsy miteny gasy Mankato an –dakilasy Faribola SANDRATRA Antananarivo In- TANAN-DAVA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/lalany-1
Lalany
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
LALANY Ambara ankitsirano Sy tsy afenina amin’ise Ry zandry mbola hitia , Fa aza maika loatra Raha sarotra ny lalana Na ratsy sanatria; Ary izao no tano : “Hampoizo ny hitsotra hanaiky anao ho TIANA ! Fa hampoizo koa Ny tsy maintsy hitsivalana !” Ary indrindra, indrindra, Ataovy an-tsaina tsara Sy mba fantaro aloha Izao lalàna izao : “Tsy rehefa tia ianao, Dia tsy maintsy hotiavina ! Na rehefa mba mitady Dia tsy maintsy hotadiavina !” Fa ny anao faniriana; Dia hevero fotsiny hoe : Mitovy tsisy valaka Amin’izay fananan’olona rehetra niangaviana Ka dia folahy ny saina Ho zatra fisedràna Na mba hatanty ho reraka; Fa tsy rehefa tia Dia manantena hitàna, Na rehefa faniriana Dia tsy maintsy ho tanteraka ! Tsy rehefa mba mikasa Dia hoe natao ho tiana; Fa misy fetrany io ! Ka hitia ise ry zandry ! Haniry ZANAK’OLONA ! Dia ireo no tadidio ! Faribolana SANDRATRA Antananarivo In – TANAN-DAVA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/fitia-nivakinina
Fitia nivakinina
DadaRabe
FITIA NIVAKININA Fitiavako anao, fitia nivakinina, Mangidy manasitrana ny ratrako ririnina, Hila tsy ho telina kanefa manome Ilay tena fiadanana sy fifaliam-be ! Fitiavako anao, fitia voamadilo, Tsy afaka ao am-bavako, tsy mety lany tsiro, Jereko toa tsy ampy, kanefa toa tsy lany... Raha vao midify ianao dia io aho fa mitady. Fitiavako anao, fitia pilokely, Manaikitra kanefa tsy foiko velively, Tena ankafiziko na mampipenimpenina, Fitiavako anao, fitia tsy misy nenina. Aix-en-Provence
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana-1/tsy-ho-very-anjara
Tsy ho very anjara.
Ny Hasina Heritiana
Ataoko angamba fa ampy izay, ny fijaliako namaivay, Niharetako , nihafiako fahoriana; Leo aho ka aleoko aloha mangina. Manontany tena aho indraindray; fa dia inona loatra ity mahazo ahy?; olona iray ve no ataoko hampijaly; sa ity izaho dia tena voangaly? Mbola maro ireo tanora maintso volo; Samy mpankafia, tia fitiavana daholo; Raha iray no miala, eny nahafoy; aza mitaredretra fa tonga dia soloy. Io no hery ho entiko miady; Amin\'ity fahoriam-pitiavana izay mianjady; manana finoana aho fa tsy ho very anjara; fa raha olombelona tsy maintsy manana tantara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana-1/tsodrano
Tsodrano
Ny Hasina Heritiana
Ekeko fa azy ianao; tsy misy intsony azoko atao; Mionona aho fa izay no anjara; Izay rehetra vita hipetraka ho tantara. Tiavo izay safidinao; Eny tiavo izy ary hajao; Omeko tsodrano ianareo roa; Ho feno fitiavana, ho tokantrano soa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hihodina-1
Hihodina
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
HIHODINA Anananao ny vola Dia zakanao ny tany; Fa aza adinoina Hoe : “indray andro any… Hivadika ny rasa !”, vao sendra ankodimirana Tsy ampoizinao akory Dia hiova indray ny fiainana : “Ianao ho tapi –dalana Fa izy ho lasalasa”. Fa izy izao mahantra Dia sahinao enjehinao Ho ratsy fara-idiny, Ezahinao potehina. Nefa koa tsarovy ny lalàn’ny fihodinana : Fa “misy fara-idiny Manjary TREMALAHY, Misy zatra voky Finaran’ny tsy mihinana ! Ka mbola mihodina io Fa tohizo ny lalao ! Faribolana SANDRATRA Antananarivo In – TANAN-DAVA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanilla/indrisy-3
Indrisy
Vanilla
indrisy, tapitra ny antsika nefa ny fo malahelo mahatsiaro ny volana mibaliaka izay mahatonga ahy mamelovelo ..............@ manaraka ny tohiny
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/efa-tony
Efa tony
Tsiky dia ampy
Raha ny amiko sy ny ahy No mahalasa saina anao Raha ny alahelom-poko Vesatry ny vokovoko Raha ny tsindrona mamely Ka nandratra lalim-pery Raha ny masoko tomany Sy ny hafa toa izany... Vokatr'iny alina iny Dia tsarovy f'efa tony Ka tsy nitomany intsony Nony dify tany ianao. Efa tony sy nangina F'efa zatra fahoriana. Tsy handray avy aminao Tambitamby sentosento Bitsibitsi-po fanao. Efa tony ka tsy taitra Fo voaratra tsara zaitra Ka tsy hamerina intsony Efa sina... efa tony
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/poteho
Poteho
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
POTEHO Izaho efa nety ny hampakatra anao Vonona hiseho sy handoa VODIONDRY, Ary vonona hitondra ; fa izaho ve reitsy vao mihevitra andro Dia i Dadanareo no manangan -totohondry ?! ka inona indray no holazaiko amin'izany, fa tsy izay efa nambarako ihany ? Izaho efa niezaka hanao fanasàna, Noho ny tongotro mby efa an -dakana hanorina akany; vao mba milefitra ny ato aminay, Dia i Neninareo indray no vatomisakana: Tena fanamby ny hoe tsy hipika Fa sendra ny fefy tsy antonona isika. Ny havako efa nangina tanteraka, Ny avy any aminao indray Mainka solanga fanavakavahana: 'Zahay mba nandefitra tamin'ny finoana, Rangitinareo indray ny resa -tsaranga 'Zay resaka RAZANA AMBONY sy AMBANY, Inona izany no tsy ajanona any e ? Faribolana SANDRATRA Antananarivo Tél: 033 14 253 57
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/tiana-1
Tiana
Lanto
TIANA , (ilay efa tiana sy nirina hatry ny ela, mbola tsy hita, mbola nofy ....!) Izay rehetra noheveriko Izay fitia mba tratry ny heriko Hatrizay Zava-poana ! Izay mba vita, rehareha, Nahazoana laza, dera; Mihoatra aminao izao Moa tsy toy ny dongom-pasika Lalovan’onja dia hianjera ?! Ny ranomasoko havozona Nandaniako ora maro Ny fotoana nampisaona Izao ? hadino ny antony aza ! (Hehy) Fetifety sy korana Nahafaly sy tamana Toy ny tsy ho foy hialana Toa tsy inona akory Mety hitondra sorisory Raha tsy eo ianao hanova Amin’ny fisianao monja Ho lapasoa na dia ny fonja. Satria efa misy anao Tiana ! Irony hiran’ny fitia Novetsoiko nahazatra Teny mamy, tambitamby Izao vao tena reko fy !!! (tsiky) F’efa nentinao ka fantatro Ny tena mamin’ny fiainana : “Mitia anao : mampianatra mamindra, sy mifaly amin’ny dingana tsirairay izay vitanao, miaro anao tsy hovoafingana, mihaino anao mibadabada, mijery anao mifaly havanja” Ary indrindra maka Hery avy aminao dia fenoina indray ny fo hasambarana vaovao F’ianao no Tiana Tiana Marina e Tsy hosarako rahoviana ! Tena namako Zanako ! NENY.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/namana-5
Namana
ny eja
NAMANA ! Namanao fotsiny tsy misy afa tsy izay manaiky ny hiantsoroka ny sedra mahamay mety mampahory tsy ahitanao tory. Namanao foana anilanao satria manokana fotoana porofon'ny fitia ary izy hanao izay vitany ka mahasoa anao f'izay no tena sitrany safidy tsotra izao namanao maharitra raha toa ianao finaritra manaiky ny fisiany fa azonao atao ny miala sy mandao fa tsy omeny tsiny fa izy manko hatrany dia namanao ihany .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jaory/hampanginiko-ny-foko
Hampanginiko ny foko
jaory
Hampanginiko ny foko Izay nitepo hatrizay Hotoniako koa ny saiko Tsy hamisavisa anao Be re ny vitan-tsika Fa ny hoavinao jerena Ny fonao manontolo angamba Efa misy manantena Izao aloha tsy ho kivy Na koa ketraka amin'izany Faniriana anie ny antsika Olom-belona eto antany Ka raha toa ve tsy tsara Na koa tsy hanjara Tsy aleo ve misaraka Fa tsy izany ve no tsara Izay , izay fa veloma!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaretsaka/raha-mba-1
Raha mba
Ikaretsaka
Mba fotoana kely fotsiny Hitsiponako ny potiny No nangatahiko taminy Fa nataony be marenina izaho saika hiala nenina mbola hitsipona ny maminy Sendra vakiko ny siny ka mba saika hiala tsiny saingy nilainy vaniny Dia tsy misy azo alahatra Fa tadiaviny hatsahatra ho'zy hoe : hajanona Dia io aho nitakoko nandefa ny toloko tsy nahahinankanina. mampitomany... Aza mba vaky Ihany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/mitody
Mitody
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MITODY Izaho tsy mandatsa raha hisaraka isika Kanefa tsarovy; Fa ny hevitra entina ety sombinaiko, Tsy hary mitovy ! Tsy hary sahala ! Nefa tsarovy ny DINA natao, Ny teny navela; Fa ireny no hiaraka hitody aminao Na akaiky na ho ela Fa inona izay fahadisoana tsy nahy No tsy ananan -kavana ? ianao rehefa lasa dia mandra -pihaona : Soava dia !!! fa io tsy iforetana mandrakizay na iza mitia; fa ferana ihany ! Ny tia moa fisedra sy natao hiaritra mandra -pahatofony; Nefa tsy zaka Raha tsindry hazolena No setrin'izany !!! ' Zay mody... dia mody, Fa raha ny fitiavana voatsipakao : TSY MAINTSY MITODY !!! FARIBOLANA SANDRATRA Antananarivo Tél: 033 14 253 57
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/miandry-3
Miandry
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Raha toa sombinaiko heverinao hoe : Ireo kilalao miparitaka ireo No KRISMASY; Dia hevitra diso… Endrika ivelany fotsiny ireny Natolotr’ireo fombafomba vahiny, Hianaran’ny GASY!!! Ianao aza taitra amin’ny vahoaka be Raha ny Tranombarotra be fanomezana No ifamenoana; Tsy izay no NOELY ! Fa ireny no fomban’ny Mpanankarena Entiny tena ideraderana Sy isehosehoana… Tsy hoe tsisy vola aho raha miteny izany, Fa raha fandaniana amin’ny rariny isika, Mba manana ihany… Manana I DADA!!! Fa ny NOELY ? Dia fankalazana “ilay ZAZAKELY, Sy ILAY FAMONJENA”; Fa hoe : “Amintsika Ilay Andriamanitra nanolo –tena!” Satria mba noheveriko ho tsara aminao Ny kanto niaraha-nitia hatrizao: Vaovao ny taona, Vaovao ny teny… Fa ireo izay voasoratro kosa, ahoana ? Voa nambolena, Ambioka nafafy… Ka tonta na vao noho ianao izy ireny! Fa raha ny halavirana hoe nosedrainy, Mba isan’ny nikiry sy niezaka mafy!!! Izaho moa SAKAIZA, hanoratra foana; Tsy teny ho an’iza fa ho anao ihany, Ary ho anao, na aiza na aiza… SAMY ARAHABAINA FA TRATRY NY TAONA E! Mirary ny soa aho ! Maniry ny kanto ! ny taona vaovao sy ny 2004 hiarahana hamakivaky ; ary indrindra ny SORATRA izay mampiombona antsika. Dia tsy haiko ny hangina fa MIRARY NY SOA SY NY KANTO rehetra ho anao aho.Samia hotahian’Andriamanitra e! Sombin – taratasy avy amin’ny resatsika Izao lazaiko izao: Amafisiko eto iny sangisangiko iny Fa“TIAKO BE IANAO !!!” TIAKO HO AHY IRERY! Kanefa indray raha hoe Hatambatrao fitia, Dia aleoko aza, very ! Izay ihany anie e! Miandry valiny aho Na ho haingana na ho ela, Fa misaotra be dia be. Ataovy vetivety Ny valiny, raha mety, ‘zay fa mandra –pihaona! Ny fiainan –dry, Tsy mitovy amin’ny fiainana iainako aty Fa atao hoe : “morainy!” Angamba ny alina ifametsoana No mba itovizana; Fa ny eto an-tanàna: Tongotro sendra voafingana fotsiny Dia hita andihizana, Olona sendra voadona tsy nahy Dia lasa vavàna ! Ianao any tony, fa izaho sakodiavatra: Lalako niaka –tsy nidina teto, Tsy vakiko intsony !!! Indry mbola sambatra, Fa ny itolomana sy mampahory Dia ny adin –tsaina; Izaho ity lahoana amin’ny olon –drehetra: Ny alina iafenako anatin’ny aizina, Tsy sitrako haraina ! Miezaka hitsiky, Kanefa vao mainka miha-bongo ny maso : Alentik’adalo ! Ny adin –dry, Tsy mitovy amin’ny ady atrehako aty, Fa atao hoe : “karazany !” Ny ahy izao namana mba nitarainana Tonga nandatsa: Nanjary fahavalo… Ikakakakàny aho raha sendra tazany !!! Tokana ny ady, kanefa tsarovy Fa ny onjam –piainana aky tsy mitovy a! Mandriana ny aty !!! Raha mba mamy ihany zandry ny fiarahana hatrizay Sy ny antony ifankatiavana ; Ary raha mba tian’ise ny hampanara –dia anay: Hilahatra, hitandavana, Na irian’ise hananana ny fahatsiarovana an’I FENO; Dia izao bedibedy izao no ataovy folo an –tanana : N’inona n’inona adilahy sy fifamaliana kely Any an-tokantrano any, Fadio ny mikasi –tanana: “NY ZANAK’OLONA TANDREMO !!!” Hampakatra azy ise dia hiroso, Ka ito ny ahy mba teny kely : Ataovy an –tsaina lalandava Sy mba diniho tsara zandry, Fa “ny olombelona tsy anjely !” Aoka aloha izay hazava; Fa sao dia resa –tondro –molotra Sy siosio mba henoheno No hamonoana andefomandry, Na hampodiana Zanak’olona., Ataovy fetry ny fitiavana Ny fara – fiantran’ise Sy ny fara –fandeferana, Ka izao no hafatro ry zandry : “raha sendra lavo izy : hareno !!!” Fenoy soratra ny lalana sy ny takelaka rehetra, Ataovy tototra eny : “FENO !!!” Fa ny ahy ny rahona eny ambony No hovontosako valopy sy taratasy ho an’ise; Ka vao saron – drahona iny, Dia tsarovy izaho onena sy mibedibedy hoe : “NY ZANAK’OLONA E ! TANDREMO !!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/diam-peniko
Diam-peniko
aladin
Raha ireny diam-peniko No misoritra toloko Tsy sanatria hamendrofendro Fa hiaka lalina ao am-poko Raha alahelo no ambetin-teniko Tsy fitarainana tsy akory Fa izy ireny no ventesiko Satria ny lasa tsy tiako hatory Tsy foiko ho adino ireo toloko Na nampahory aza tsy ariako Fa hikoloako ny ambom-poko Mba tsy ahasolafaka ahy ampitso Dia hiaraka amiko eny koa Ny tandindon'ireo jaly F'ireny no hanamafy fo Ka hampitraka ahy hatrany Fa hitodihana ny lasa Mba hahatsara izay kinasa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/maraina-hafa-kely
Maraina hafa kely
Ny Kanto
Maraina voalohany eo anilanao Ifohazako hahitako ilay tena endrikao Izaho no hifoha mialoha Hoy aho anakampo manontany Hitsangana mitanjaka eo menamenatra ihany Orokoroka miampy safosafo marobe Namenoana ny mangina raha tsy nisy feo re Maraina voalohany eo anilanao Ifohazako amin’ny nofy niandrasako anao Tsy manan-tsahala ilay fotoana hafa kely Izaho sy ianao, raha tafidina eto an-tany Miara-mahita ireo mombamomba antsika Fotoam-pahamarinana irina mba hahavita Hampitsiry fikasana sy fitia iray tsy manam-petra Maraina voalohany mifoha anilanao Ny Kanto, 26 aprily 2004, Printemps. Maraina hafa kely.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njiva/souvenir
Souvenir
NJIVA
Souvenir kely monja No hatolotro ho anao Feno fitiavana mafonja Hoy ilay efa fantatrao Souvenir tsy mba tsara Nohatolotro ho anao Nefa kosa manambara Ny fitiavako anao Tsy mba manana homena Na ny vola na ny harena Fa ny ahy ny souvenir Dia ilay andalan-tononkira Hofaranako ny teniko Raha toa ka malahelo Na koa mahatsiahy Indro misy teny kely Aza manadino ahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/akaro
Akaro
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
AKARO Akaro ambony ihany Ny Hiakanao Sakaiza, Fa ohatry ny hoe : ISIKA NO ZAZA RATSY TAIZA Raha tsy mahatana teny, Na mivadibadi- dela ; Fa fanamby hatramin’ ny ela Ny hibata fandresena ‘zay napetraky ny « MARINA ». Akaro hivazavaza Fa isika ho’ aho tsy farina ! ! ! Dia, Akaro ambony koa Ny vavakao Mpino ! Fa ny finoana ananantsika No toa lamoka na adino, Raha toa ka tsy hita ny akony ! Na lasa ho an’ ny hafa ; Sao dia koa tafa Tsy vokatry ny fo No ilazàn’ ireo mpandranitra : Akaro isan’ ora Hitseran’ Andriamanitra ! ! ! Ary… Hamafiso ihany Ny tolonao vahoaka Fa ohatry ny hoe : ISIKA NO MPANGINA SY MPITSOAKA Raha manaiky hangoron- damba ! Na ho azony rahonana ; Fa efa tena fahavononana Iny TONGA MIARAKA iny : Sahia ianao VAHOAKA Fa anao ny fandresena N’ inona n’ inona hipoaka ! ! ! Fa ny tena FIRENENA Dia izay miaro ny « AN’ NY TENA » Izay sarotiny amin’ ny zony… Ka aza amelana intsony Fa … azanao izy izao ! ! ! Asabotsy 26 janoary 2002 / 12 : 18’ atoandro * Anjanahary II O 173 ter ( ROJO)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/vatsinaina
Vatsin'aina
Ny Kanto
Ireo hafatrafatrao rehetra Vita pirina voarakitra Am-po sy saina, ao anaty Tsy antery, vita tsianjery Fijerijeriko matetika Koa rahefa iny fa mandalo Ireo adim-piainana, alahelo Na inona inona hampimalo Ireo teny velona voaraiko Vatsin’aina hampitraka No sakelehiko isan’andro Tsy mba hisaraka amiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/teto-na-ambatofotsy
Teto na "ambatofotsy"
aladin
Teto amin'ity toerana ity Efa ho erintaona izay No nifamborahanay fitia Nilazàna izay tao am-ponay Teto ilay toerana maminay Mirakitra embona, fitia Toa mbola hitako eto indray Ireo lasanay,toa fy ery Dia mbola teto ihany koa Rehefa harivariva iny No mba falehanay roa Tsy nandrenesana hirifiry Dia teto izahay no nitoetra Nifampizara teny mamy Adino avokoa ny sisa rehetra Fa toy ny tsy tety an-tany Fa mbola teto koa anefa No nanaovana veloma farany Satria hoe hetreo no fetra Noho ny hetraketraka,hasompàrana Ho fahatsiarovana an'Ambatofotsy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ilay-fihaonana
Ilay fihaonana
Ny Kanto
Fantatrao ve fa toa kisendrasendra Ilay famoronana nilaina sy hoekena Namaka lalina tam-po, efa hatry ny ela Dia ilay ora sy fotoana hahitako anao Fihaonana hafahafa kely Poezia toa tsy izy sa majika ? Toa tsy inoako nefa nisy Raha tsy izany tsy ninoako mihintsy Misy ny fotoanan’ny anjara Ilay ora iray … izaho sy ianao tsy nisy tara - Tsy nifankahalala - Nifanome fotoana fa hihaoana Anatin’ny kisendrasendran’ny fotoana Ny matroka amiko eo hody mazava Ny varahinao hanjary voahangy volamena Ny fiainantsika nangingina teo Ho feno nofy feno anjely Manomboka hatreo Tsy hoandrintsika intsony Ilay ora hifanenana hifankaeny Hiaino ilay feo Hianoka ny jery sy ny fanatrehana Hanolotra fitia Miboitra avy ao ampo !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ny-faniriako
Ny faniriako
Ny Kanto
Vao omaly ianao no hitako Dia nitsiry ilay fitia niriako Mahatonga ahy mamboraka etoana Hoe tena tiako ianao ka tiako ‘Lay feon-tsiky avy aminao No mibitsika ahy hitsinjo Ilay voahangy miafina ao am-po Hahita hoe hay ianao tia ahy ‘Lay fijery feno fitiavana Nasehonao ahy indray androany Dia tonga aho manakaiky, sahisahy Mankasitraka miaina izany Tena tiako ianao ka tiako Sy hoe koa ianao tia ahy Ireo nandresy lahatra ahy Hanorim-pitia tsy manam-pitaha
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/tsy-misy-hafa
Tsy misy hafa
Ny Kanto
Nandeha ny Andro sy ny Taona Fa izaho tsy nahay nanadino Ilay toeranao mbola banga foana Ny foko minia tsy mety mino Tadidy ireo niarahana taloha No mameno ny saina sy ny fo Mbola mahatsiaro anao tia Mbola manonofy ilay fitia Nijanona daholo ny tontoloko Raha vao lasa ianao Tsy nisy tantara izay natomboko Tsy nisy afa-tsy ianao Mbola tiako foana ianao, tena mila anao Mampanantena aho fa hahay hitia anao Mba minoa ahy akia fa ho mandrakizay Ny antsika raha hifampitantana indray Ireto masoko jereo fa mipitrapitra ery Mangata-topi-maso avyaminao ô ry malalako Maika hamerina indray sy hifankatia Tsy miandry afa-tsy ianao irery ilay fitiavako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ilay-tiako-izay
Ilay tiako izay
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Tovovavy iray mahafinaritra tokoa Ilay tiako izay ka babony ny foko Tsy ny foko ihany fa ny fanahiko koa Dia babony daholo lasany avokoa Mahafatifaty ary koa sariaka Tsara fanahy no sady tsara bika Kanto maha-te-ho-tia Meva tokoa izato ianao Kisendrasendra angamba no nifankahitana Kanefa tamin'iny tsaroako toa nafana Ny tafa nifamaliana teo anilanao ry tiana Ka vetivety foana dia tonga ny fotoana Nifanaovana veloma, veloma mandrampihaona Aza malahelo rahampitso mbola hihaona Toa nanonofy aho raha nilaozano Tsy andriko ny ampitso hihaonan-tsika indray Tovovavy iray mahafianaritra Ilay tiako izay ka babony ny foko Tsy ny foko ihany fa ny fanahiko koa Dia babony daholo lasany avokoa Ny amiko rehetra hatramin'ilay fitia Nomeko tsisy fetra ho anao doria Ho anao, homeko anao Ho anao, ho doria
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/amiko
Amiko
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
**nivoaka tamin’ny : RADIO RAVINALA ny 31-03-2000 (valin’ny FANONTANIAN’i TAHIRINTSOA) « TENA HANDROSO IARIVO KA HO SANGANY ETO ANIVO » Hanakoako laza , hanendro koa satria : Miparitaka eto izao ny teknolojia « HANDROSO IHANY IARIVO REHEFA MIHA-MARIVO ‘Reo resa-politikan’ny kely sy lehibe ; Manosika azy hirotsaka, hameno ny arabe » « INOY FA HANDROSO IARIVO HANDROSO NY ETO ANIVO ; Raha foana tsisy intsony ny endri-panolanana Ny zaza tsy ampy taona, sy ny asam- panakanana » « HANROSO HO ‘AHO IARIVO REHEFA MBA MARIVO ‘Reo tobim-pako maro, vangongo be dia be ; Manempotra mpandalo, manery lalam-be » « HANDROSO ETO ANIVO NA ANIO NA ARIVOARIVO Rehefa mba mivelona ireo olona tsy an’asa Ka tsy handry an-tsisin-dalana, ho setrin’ny andro lasa » Ny TAONA ROARIVO No hanosika an’IARIVO ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arcane/eritreritra
Eritreritra
arcane
Eritreritra mandalo, Satry foana ho tantaraiko Sy hamoronako kalo Ilay endrikao ry aiko Jiro kely ato am-poko Manafoana ny adin-tsaiko Ilay tsikinao miloko, Hany taratra ilaiko Eritreritra mandalo Mitamberina tsy maty Ny fijerinao mivalo Fa mirehitra ao anaty Eritreritra manako Ny anaranao ry tiako Zary sosona iriko Ho fameno ny anarako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/sangodim-panina
Sangodim-panina
Ny Kanto
Sangodim-panina Ianao ilay nitia Naniry ny hankafy Namisavisa ny hiara-dia Nikasakasa ny doria Dia hoe tsy hanan-tsahala Ilay fitia izay nanadala Kinanjo ianao izao … Tsy tojo ilay mangarahara Fa sendra izay homangidy fara Fitia afenim-penina, Fitia tsy hoaseho masoandro Fantatrao fa tsy ho anjara Ka tsy nialanao nenina ‘Lay nahasangodim-panina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tangena
Tangena
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Nohambaniana sy mavoina Noesoina fa kamboty Ilay malalakely adalako Hany tokan'ny FITIAVAKO Noterena mba handefitra Navela hioty fijaliana Raha nikasa Ny hijinja FAHASAMBARANA Ray ô! nahoana no niangarana? Ilay adala endriko iny Fa, amiko izy tsisy tsiny Fa fanirina ihany izany Ray ô! raha azonao atao Eny; raha azonao atao Valio izao antso izao F'hifonako raha nisy adalany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karynah/embona-tsy-hita-maso-1
Embona tsy hita maso
Karynah
Eritreritra mandeha, miantefa any ho any, Any ambadiky ny havoana sy ny rahona manombana Mahatsiaro ireo fotoana nisy mamy teto an-tany Mamy sady fy tokoa nefa kosa ka dia fongana Hitako eto indray izao ilay endrika notiaviko Ilay bika mamiko iny, izay nambabo ny fitiavako Eo am-pijerena sary no andefasana eritreritra Dia mifoha ilay fitia, vetivety dia mirehitra Aiza nefa ry elanelan-tany no ahafahako hankany? Ny fisainana an\'izany mampirotsaka tomany Ilay fitia voahosihosy tsy mba nojereny akory Eny koa ry olona iny, ry fo vato tsy mba ory... Nantenaiko, nandrandraiko, ny hiaraka aminao Nofinofy tsy hita lany, faniriana taminao No niantefa avokoa... vahobahotra ny vavako Raha nitory taminao ny faniriako sy fitiavako Nobanjininao ny tenako, dia nitodi-doha ianao Tsy mba meva mantsy aho ka tsy mendrika anao Eny kanto sady soa tokoa ianao ry sombinaina Nefa rahoviana intsony moa ianao no hantenaina? Ny kapoakako hosotroiko raha izay no anjara Any lavitra any ianao, moa tsy ho sendra ireo tsara Ny fitiavako hototofako, tsy avelako hamony Ry lahatra o! ry vetsovetsoko! Aoka tsy hankany intsony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/miandry-4
Miandry
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MIANDRY Sombin -taratasy avy amin'ny resatsika Izao lazaiko izao : Amafisiko eto iny sangisangiko iny fa "TIAKO BE IANAO!" TIAKO HO AHY IRERY kanefa indray raha hoe hatambatrao fitia Dia aleoko aza, very ! Izay ihany anie e! Miandry valiny aho na ho haingana na ho ela Fa misaotra be dia be Ataovy vetivety ny valiny raha mety Izay fa mandra -pihaona faribolana SANDRATRA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kel/misaina-tsara-dia-mandray-ny-fo
Misaina tsara dia mandray ny fo
KEL
Oh…! Iza moa hatr’izay ka hatramin’izao Eny fa na ho an’ireo mahantra na ny manana hatao No handeha ho sahy hilaza, hitabataba sy hihambo F’eto an-tany izy d’efa sambatra ka lavitry ny loza sy ny atambo Mahasahy ve ianao hirehareha sy hanambara Fa hijoro tsy hikoro na izao na any am-para… Ho lavitry ny fahoriana sy ny fijaliana tsy hita isa? Hirehareha mihitsy fa ny fiainanao eto dia efa Paradisa Angamba izany fahoriana izany dia tsy fantatrao akory Eny vitanao mihitsy aza ny manosihosy ny mahantra sy ny ory… Tantinao ny mijery azy ireo mandadilady mitoloko mitaraina… Nataonao fitaovana toy ny voahary tsy mba mananan’aina Vitanao izany… Isaorana tokoa! Ianao ilay nantenaina no injao nankarary indray ny loha Ny tany anie tsarovy fa malama maina Ka sao ianao hanenina ka any an-koatra vao hisaina Fa mba inona tokoa moa ity harena anananao? Volamena sa diamondra no hamiratra eto an tany… Ekeo fa ny saina sy ny fo no tena harena sarobidy Rehefa ireo no tsy manjary… ny fiainanao rehetra hangidy Misaina aloha vao mandray ny fo… Izay no tena fiainana hanomezanao ny soa Raha handao anao ka hametraka ny penina Saintsaino izay voalaza mba tsy ho tonga nenina Sanatria tsy izaho akory ny olon-kendry ka hananatra Rahona nandalo fotsiny iny,f’izay tokoa angaha no lahatra… Koa mahaiza ary mamindra dia ampiasao ny loha Dia ho tsapanao fa marina “Misaina tsara dia mandray ny fo”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ho-fandonaka
Ho fandonaka
Ny Kanto
Noheveriko ho Mpanjaka Fa hay koa Mpanompo Ilay Tompo izay ninoako Ireo masoko jambena Izay nitady volamena Gaga raha nahita Azy nandohalika Ninitika nanasa Ireo tongo-bakivaky Nampianatra ahy ombieny Ny hanetry tena Hahay hanompo sy hitia Ireo no hafatra navelany : Mba ho fanasina, fandonaka Ho an’ny tany sy ny fo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/fantatro
Fantatro
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
FANTATRO Ireny hoe:"POETA" ireny Raha izay no tena marina; Dia tsy nanampo akory Hifanena taminao Raha nandrafidrafi-teny Na mba niezaka nanarina, Fa ny fiainan'olon-kafa No nitovy taminao, Dia nanjary nolazainy Sy hitanao notantarainy: Dia ohatra ny hoe ianao marina ! Ireny hoe:"POETA" ireny Raha ny tena marina aminy, Dia tsy olona minia Hoe mandefa ny vinaniny Na mikiribiby hiteny; Fa misy lesoka hitany ao Sady fantany fa handratra, Dia tsy fanahy iniany akory Fa noho ianao dia ianao mihitsy No mahatonga azy hanoratra Sy miezaka mamaky tratra. Ary 'lay POETA ireny Raha ny fahafantarako azy; Dia mahafantatra fiainana Mety tsy niainanao, nefa azony ho azy teny, Dia vita loko mahafinaritra ! Ary mahavariana ahy Ireny hoe:"POETA' ireny, Fa dia ny fiainanao vahoaka No toa vitany ady varotra Ka sinorany hiteny. Fa olona hafahafa aloha Ireny hoe:"POETA" ireny e! Avy ao @ FARIBOLANA SANDRATRA Antananarivo - Tél : 033 14 253 57
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/fisarahana
Fisarahana
aladin
Toa tsy mety maty ato am-poko Izay fisarahantsika izay Fa ankahitriny dia mbola tsaroako Toa vao omaly no nandratràna ahy Hariva ny andro tamin'izay Nangina tamiko izao tontolo izao Dia tamim-po nangahiahy No nanaovako Veloma anao Dia teto amoron'ity rano No nifamihinantsika Ny masonao nanganoano Ny foko reko toa nitritra Horoka iray sisa Sy peratra iray izay No hoe nifamatorantsika Sy voady ho mandrakizay Dia indro ny fijerinao Nitopy ka nibanjina ahy Ka tamin-tsento no nilazànao hoe:"AZA MANADINO AHY!"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramakavelo/ny-tenindrazana
Ny tenindrazana
Ramakavelo
Nisy taona vitsivitsy Tany an-dafy no nipetraka Ka niezaka nanitsy Sy nanarina ny potraka Izany tenindrazana iky Toa navela mba hianjera Noheverina ho diky Halaviro, tsy jerena. Fa izay nomena lanja Sy noheverina ho tsara Dia lazaina fa taranja Tsy azo avela, sao tara. Tena hoe mba voninahitra Ny tsy miteny malagasy Tena misy ny finaritra Aok'izany, kasikasy. Dia lasa ny fisainana Amin'ireny toetra ireny Manao ahoana ny fiainana Moa ho tia ny fireneny ? Ny tanora Malagasy Tsy mahay ny tenin-drazana Raha toa mifindra lasy Moa ho gaga ireo havana ? Inona no hamatotra azy Amin'itony fireneny ? Sanatria tsy hoe ny sazy Fa kosa hono ny fiteny. Izany tenindrazanao Tsy atakalo ny an'ny hafa Mahalaza izay atao Amin'ny dinika sy tafa. in Mba saino ange, boky 1
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/teny-fahendrena
Teny fahendrena
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TENY FAHENDRENA Aza zarinao mitsabaka Ny fiainan'olon -kafa Ny ato an-tokantranontsika; fa ny fiainan'olon -kafa: sasanangy tsy mitovy, Valiny tsy mira dika Amin'ny hitatra sy habaka Aza zarinao velomina Any am -patan'olon-kafa Ny afon'ny nahandrontsika; Fa ny fatan'olon -kafa, 'ndrao mivaralila fitoetra ka ho voadonanao fandika, Ho henatra amin'ny mpiara -monina ! Aza zarinao ailika Eny an -tatatr'olon-kafa Ny loton-tokontanintsika; fa ny tatar'olon-kafa, Rano no atsipiny ao Sy avelany handriaka Fa tsy fako be fanilika Dia aza zarinao matory Any an- tranon'olon-kafa Iny zanatsika iny; Fa any an -tranon'olon-kafa: 'ndrao tsy misy bedibedy Na tari-dalana amin'ny diany Fa matory, dia matory !!! Aza zarinao hiteny NY fitenin'olon -kafa Iny zanatsika iny, Fa ny fitenin'olon -kafa: vatravatra tsisy fady; Tsy tompontany, tsy vahiny Fa zatra "ngoso" sy "ompa reny" Dia aza zarinao ovaina Ho toy ny fomban'olon-kafa Izany fombantsika izany; Fa ny fomban'olon-kafa Tsy tiako hizaranao hiainana, Satria ny fiainana eto an -tany : Iainana io, fa tsy lazaina. Araho izay fepetra izay Sy ny zavatra voalazako : "Aza ny hafa no tarafina fa ny fomba fanabeazako" Avy ao @ FARIBOLANA SANDRATRA Antananarivo Tél: 033 14 253 57
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramakavelo/ny-tsiky-1
Ny tsiky
Ramakavelo
Ny tsiky mitory hafaliana Fahatsoram-po, fahasahiana Fahavononana mba hanome Ny zava-tsara ao am-ponao re. Ny tsiky mampisokatra ny saina Ny tsiky mampisava ny taraina Ny tsiky mampandroso ny mihaotra Ny tsiky mampadositra ny tahotra. Ny tsiky mampahazo izany toky Na zandry ianao na zoky Ny tsiky mandrindra fihavanana Ny tsiky mampifandray tànana. Ny tsiky fanafody tsy mba lafo Fisedrana mahamay toy ny afo. Ny tsiky mampilofika ny tezitra Fanoitra tsara, tena hevitra. Ny tsiky dia tsy mba azo ariana Raha lamba , dia hoe tafiana Raha seza dia hoe nipetrahana Satria manamafy, mitam-pihavanana Mba omeo tsiky ireo manodidina Mba ho faly fa tsy ho kizitina. Fanefitra tsara tokoa re ny tsiky Fanorenana tsara, anjara biriky. in Mba saino ange, boky 1
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/fo-adala
Fo adala
Ny Kanto
Ravoravo ery ilay fo Mietraketraka fitiavana Manketsy mankeroa Ireo filana tsy ankanavaka Tanterahiny avokoa Tsy mety miato, tsy afa-po Ny hetahetany rehetra Tsy voafehiny hanam-petra Ny fatran’ny fitiavana aminy Dia ny habetsahan’ny hamaminy Ny ngidy sy ny tody tsy nosaininy Rahampitso anefa Ny hatanorana hilefa Ny vony hiraraka Ka nenina no hanaraka Rahampitso anefa Ireo fitiavany rehetra Handatsa sy handao Ka hanirery sy ho lao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/ho-aniza-ny-foko
Ho an\'iza ny foko !
Lebota
Ho an\'iza ny foko ! Toa tsapako izao fa ratsy tokoa ity mampirafy misandoka fo, toa tsapako tery tsy ahafahako miaina ity zava-bitako mahavery saina Tao ry Audine nisantatra izany Fa tsy naharitra, niserana ihany. Dia tonga ry Vero, ry Ange, Dina Fa volana vitsy dia lasa tsy tiana. Tao ry Yvette ry Fanja sy Lidy Indray notiavina nizaka mangidy ...Toa tsy ampy kanefa fa nitady olon-kafa Dia niditra an-tsehatra i kala Herinjaka Nisy ary moa mpirahavavy Nampiarahiko an-trano ho toy ny vady. Tao ry Antsa sy i Gladys Izay tena tiako kanefa indrisy...! Dia tahak\'izany ito fo toa lolo Te hahazo izay hita ho azy daholo... Dia ry Olga, ry Anja, ry Voahangy Tsy fitiavana matotra fa toa sangisangy. Tao ry Alys, i Rose sy Hanta...i Mamy Toa samy nitia namikitra ihany Saingy ity foko efa zatra mipasy Ka dia niaraka indray t@ Pasy. Dia indro nipoitra i Gérance kely Sy i Sido izay zanak\'anjely Kanefa aho tsy taitra fa natsipiko ihany Toa siligôma narora am-tany. Tsy vitan\'ireo fa nisy vaovao Saingy tsy holazaiko fa aleo amizao. ...Aleo é ry \'reto hofaranako hatreo Sao sanatria misy \"namana\" ireo Ka hahita ny anarany voasoratra ato Dia ho avy ny enjika sy ny tora-bato... Saingy izao : misy ankiray no tena mba tiako Ary izy mihintsy no \'ndeha ho fidiko Ho taolan-tehezako ho mandrakizay Dia ilay Malala Ranto-ko izay ! Ho azy ny foko !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/soava-dia-1
Soava dia
Tsiky dia ampy
(ho an'ilay namana nametra-pialana) Tsy aritro leisy ny aingam-panahy nilaozan-tsakaiza Ka nandray penina hilaza eto fohy ny sento tsy tana. Fa tonga amy sampanandalana isika ka afaka ho aiza? Ialahy nantenaina ho namana ity nametra-pialana. Naratra ny fo, nangotika ny aty, satria ho irery Saingy tsy maintsy mitraka satria izany no ady. Nitsangana indray, namindra mangina, nanangona hery. Hamakivaky an'ilay lalantsika niaraha-nivoady. Dia lasana ialahy, resiny lahatra fa tena tiany. Tsofiko rano, dia mahaleova sy mahalasanana. Safidy iny angamba, matotra tsara ka tsy omena tsiny. Ny antso tokoa, tsy iray, tsy roa, fa maro sampanana. Ny anaran'lah dia tsy tiako vonoina fa haharitra anaty Dia ialahy koa, inoako mihitsy hanao toa izany. Ireo tetikasa novolavolaina tsy avelako ho faty. Hoporofoiko fa namako elah, ho namako hatrany. Raha sendra mahita ny toetrako ialahy, dia aza manahy. Ivelany ireny, f'izaho efa niova. Tsy malemy intsony. Ho todiko hatramin'ny farany ny ahy, ho antsika sy ialahy. Elah kosa tsofiko rano ho tafita ho andrin'ny fony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/ho-anareo-roa
Ho anareo roa !
Lebota
Misy olon-droa toa mifankatia Tsy nifampilaza akory fa hiarak'ho doria Kanefa ny iray toa tena manantena Fa tsy maintsy hisy hono ny fotoana hifanekena. Miandry vintana va re sa ny lahatra no toaviny? Sao dia tsy tsarony fa ilay olona notiaviny Dia efa an'olon-kafa, efa vita "soratra, sonia" Ka na hanizingizana aza efa lasana i lery. Eny é ! Tsy izaho na izy no mpandahatra ny ho avy Saingy kosa ny inoko dia lavitra ny sainy ny hoe hanambady Efa fombany iny mandalo dia miverina, dia toy izany ihany Ka aoka ianao hanaiky fa ny anareo roa dia mbola sipa ihany. Tsy latsa ny ahy ny teniko fa ny zavamisy no lazaiko Sao any afara ianao hanenina...raha mba nohaiko Ka rehefa misy olon-tia anao ka tena tianao Dia mandehana ka afoizo dieny izao ilay mbola "sipanao" Tsy mibaiko anao aho na manao didy jadona Namako ianao ary tena haiko fa olo-tsy miavona Nefa efa nolazainy im-piry angamba izay Fa ianareo sy izy tsy hivady na izao na ho mandrakizay. Mahereza amin'ny fitiavana fa lalàm-piainana izany, Ary aza asiana fendrofendro na arahina tomany Fa diniho tsara ataovy tena lalina, fa "conseil d'ami" Ka na manirikiry aza "izahay dia mbola tia" Ary tia anao foana izy. (Ho anareo roa nifankatia noho ny net hi hi hi hi)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karynah/embona-tsy-hita-maso
Embona tsy hita maso
Karynah
Eritreritra mandeha, miantefa any ho any, Any ambadiky ny havoana sy ny rahona manombana Mahatsiaro ireo fotoana nisy mamy teto an-tany Mamy sady fy tokoa nefa kosa ka dia fongana Hitako eto indray izao ilay endrika notiaviko Ilay bika mamiko iny, izay nambabo ny fitiavako Eo am-pijerena sary no andefasana eritreritra Dia mifoha ilay fitia, vetivety dia mirehitra Aiza nefa ry elanelan-tany no ahafahako hankany? Ny fisainana an\'izany mampirotsaka tomany Ilay fitia voahosihosy tsy mba nojereny akory Eny koa ry olona iny, ry fo vato tsy mba ory... Nantenaiko, nandrandraiko, ny hiaraka aminao Nofinofy tsy hita lany, faniriana taminao No niantefa avokoa... vahobahotra ny vavako Raha nitory taminao ny faniriako sy fitiavako Nobanjininao ny tenako, dia nitodi-doha ianao Tsy mba meva mantsy aho ka tsy mendrika anao Eny kanto sady soa tokoa ianao ry sombinaina Nefa rahoviana intsony moa ianao no hantenaina? Ny kapoakako hosotroiko raha izay no anjara Any lavitra any ianao, moa tsy ho sendra ireo tsara Ny fitiavako hototofako, tsy avelako hamony Ry lahatra o! ry vetsovetsoko! Aoka tsy hankany intsony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ilay-zaridaina
Ilay zaridaina
Ny Kanto
Ilay Zaridaina Teto aho no nandalo Nisento nitomany Nitady fanavaozana Niandry lohataoana Hibanjina hatsarana Hanadino sy hamalona Hikosoka ny lasa Nantenaiko izany Hanolatra ny fery Hamafa ny tomany Hanasitrana fijery Nentiko eto ho sitranina Mba hahitako fifaliana Hiainako ilay fitsaharana Toa lasa fitahiana Ny hatsiakan’ny ririnina Nanamaloka ny saha Sy ireo voninkazo sahy Nihomehy ny foko Malahelo mitaraina Lavo teto an-jaridaina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ny-tena-hetsika
Ny tena hetsika
Ny Kanto
Midina an-dalambe Hanapoaka ny sarom-bilany hono hoe Toa efa lasa kolon-tsaina izy ity ry zalahy Satria isaky ny mihetsika kely Dia ndao! ndao hisavorovoro Hanankorontana ity firenena Tsy amim-piheverana akory Tsy fantany fa hay tsanga-nofy matory No mampihetsika azy ho amin’ny fanadinoana! Ireo vahoaka ireo tokoa anie Mora manadino ny lasa taloha e Vao ilazana ireo hevi- baovao Mirentirenty fahaiza-miteny Dia toa alon-drano manaraka onja Tsy fantany akory f’izany no hitondra Fahadisoam-panantenana tena mafonja F’izay rehetra nitsangana teo Dia nanitsaka ireo jamba sy marenina ireo Mba hiankarany, hitadiavany seza Hanapahany, hanaovany tsindry hazo lena Ny mameno ny lohan’ireo mpanambaka ireo? Izay hamenoany ny paosiny aloha Dia hanangana trano mijoalajoala tokoa Handoro sy handrava ireo rakitry ny ela Ireo harem-pirenena, ho ringana tsy hisy tavela Hanandratra foana ny adim-poko Tokin-tsezany izany f’ianao no hitoloko Izany anie no tanjon’ireo mpitsentsitra ireo e Ka indrisy ilay Gasikara taloha izay nampikolay Zary firesaka sisa, sahady efa kila sy lao ary may! Koa tsy hitaky ny zo intsony ary ve ? Dia inona àry ny hetsika tena mahomby Mba hampandrosoana ity firenena Hampahiratana ireo maso jambena ? Esory ao aminao aloha ny fanavakavaham-pahalalàna Ny fifandibiasam-pitondrana no làlana iray ho amin’ny fandrosoana Ahilikilio sy aleveno impito mandifotra olona ny fanvakavahan-tsaranga Ny hinan’ny Malagasy miray, tsivakivolo no hitsimoka olo-manga Esory dia esory ao aminao ny firaikiraikena Hadihadio ireo hevi-baovao miroso fa aza tonga dia mora sondriana Atsangano indray ao aminao ny fanevan’ny fahendrena Ny fihavanana no asandrato ho mariky ny firaisan-kina Tsy ho lany olo-manga anie Gasikara !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrakens/isika
Isika!
Fetrakens
Olon-kendry isika olon-kendry avokoa Izay milaza fa maditra moa va mba hendry koa! Olon-kendry ianao ekena tsy azo lavina Fa mbola hendry zaho raha toa ianao miavona. Olon-kendry ny olona ny manantsaina izany zay mahasahy mitolona ihany eto an-tany. fa sarotra ny manambara hoe olon-kendry ianao raha toa tsy tia mizara zay mba kely hanananao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/voady-1
Voady
aladin
Any ianao ilay tiako izay Ilay efa nomeko ny foko Indro tononkalo iray Vakio fa vokatry ny foko Tadidio fa misy voady Izay nekeko, hotanterahiko Koa dia hitolona aho hiady Mba ho eo anilanao ry aiko Tadidio fa ny fitia Izay natolotro ho anao Tsy kilalao sanatria Kanjo voafefy tsotr'izao Tadidio fa eto an-tany Dia misy fo mitempo ho anao Fantaro koa hoe any ho any Dia manirery ilay tia anao Fa mbola havaoziko ny voadiko Ka indro atokako ho anao Ilay lapa soan'ny fitiavako K'ianao no aoka hanjaka ao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/na-tia-aza-aho
Na tia aza aho !
Lebota
Na tia aza aho ! Ka hanoratra ho anao Ataoko an-taratasy na an-tsolo-tsaina toy izao Na alefako amin'ny paositra, Hiangaviako "occasion", Na ateriko amin'ny tànana na alefako "avion" Misy dikany inona amin'ny fo vatonao? Na tia aza aho ! Ka hamoron-kira alefako amin'i Lôla. Na hanoratra poeme toa adala sady môla. Na hiangavy mpanankanto hisolo izato badabadako. Hanova inona aminao fefy vato hidin-gadrako? Na tia aza aho ! Ka handohalika isan'andro eo ambaravaranao Hiandry anao hivoaka hamonjy ny birao. Na hiaritra hatsihaka sy ny kitrok'alim-be. Hampaninona ny fonao haram-batolampy re? Na tia aza aho ! Ka hitokona amam-bolana tsy hitelin-kanina Ka avelako ny kankana hifanao adisanina. Tsy mampaninona ahy anie ny hitsirepirepy fanina. Haningotra ny fonao ve !? Na tia aza aho ! Kanefa efa alanao! Fahavalonao ! Ny ataoko rehetrarehetra : tsy zarizary halanao! Na izany aza anefa : ny foko tianao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/te-handao-anao
Te handao anao !
Lebota
Te hanoratra aho androany hilaza aminao avelao hivalona any iza fiarahantsika izao. Te hanoratra aho hilaza hanambara ankitsirano saingy ho aiza ireto zaza Ho aiza koa ny tokantrano? Tsy hoe nanenina aho anio raha mihevitra toa io. Fa mbola te hiverina amin'ny lasako taloha ka tiako hitamberina fony isika roa isika roa irery nampiaraka eny foana tsy nisy zazakely. Te hanoratra satria tsy ho vitako amim-bava ny hilaza aminao nefa tsapako mazava izay teny avalinao, hoe : tsy matotra aho. Tsia ry sombinaiko, tsia ry havako Matotra ny foko toy izany ny fitiavako Saingy mahamanina ahy iny ianao nosantariko fony mbola virijiny ! Tsy manenina aho fa manina ! Tiako loatra manko ianao, tiako foana tena marina !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ankasomparana
Ankasomparana
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
­ Ndrônana ! Izay moa no anaranao ? ­ Anarako izany! fa iza no nilaza izany taminao? ­ Ny olon –drehetra kah! Iza moa no tsy mahalala anao? ­ Ny tsy mahalala ahy ahoana ry… ry iza moa azafady? ­ Miavo fotsiny hoe! ­ Ry Miavo? ­ ka fantatry ny olon-drehetra anie ianao e! na zaza na lehibe dia samy misiotsioka sy miantsoantso anao daholo hoe: “Ndrônana a!!!” ­ Aiza indray e ! ­ Marina anie izany e! ­ Ary handeha hiantsena angaha i Miavo izany? ­ ‘Ndeha hividy matavy e! Fa ahoana? ­ Mba handeha koa aho kah! ­ Mandehana miasa fa efa mivoha anie ny biraonareo e! Efa ireo daholo ny Mpiasa. Dia tsy haiko izay andro tsara na fifandrifian-javatra fa resadresaka tsotsotra sy fohy ohatr’izay fotsiny no nifanaovanay dia lasa raiki –pitia tanteraka tamin’i Miavo aho. Teo akaikin’ny biraoko ny tranony , ary lalany marain –tsy hariva ny mandalo anay isan’andro. Afo sy vanja tokoa ny fitia ka vao akasoka dia mirehitra sy miredareda avy hatrany; Indrindra fa bozaka no manodidina eo. ­ Iny indray i Miavonao! Hoy ilay tovovavy iray mifanila latabatra amiko ao am –piasana; sady ohatry ny nitsiky naneso izany ny endriny niteny tamiko. ­ Mankaty ve?Hoy aho tsy rototra. Poa toy izay dia io tokoa i Miavo fa mijaridina mitsiky amiko eo am –baravarana. ­ Manao ahoana i Ndrônana? Manao ahoana daholo ? ­ salama tsara akia a! Hoy ireo marovavy niara –nihomehy sy nikakakaka eran’ny birao. Mipetrapetraha eo akaikin’i Ndrônana e! ­ ka izy àry ity tsy mamaly koh! Fa marary angaha ianao? Hoy izy nanatona ahy sady nisafosafo ny lohako. ­ Tsy marary aho fa lasa saina fotsiny. Manao ahoana i Miavo? ­ Salama tsara e! Tsy marary a? ­ Tsy marary izany aho ho’aho! Tsy haiko na tsapan’i Miavo ihany fa odiany fanina na tena tsy takany mihitsy fa TIA AZY AHO . mandraiky marary tampoka izany foana ny andohako raha vao mandalo izy, na dia ny feony fotsiny aza no reko any ambadimbadika any dia miontanontana sy mivadibadika ny foko. Tiako izy fa tsy mbola mety ho tia ahy. Mandalo mitsidika matetika ny toeram-piasako izy fa tsy mety ho takatro ny antony. Mety ho tia ahy ihany izy fa noho izaho tsy mbola nitory fitiavana taminy dia sarotra aminy ny hiboraka taloha eo imasoko fa raiki –pitia amiko koa izy. Izaho koa anefa tsy sahy mirafarafa loatra hamboraka fitiavana amin’olo- mandalo . Raha hisedra fitia ianao amin’ny fiainana dia andraso ho efa mandravina aloha ny fitiavan’ny olon-kotiavina vao atsimohy moramora ny fanirianao azy. Amin’izay mba mifandanja ny lalana hiarahana na ny sampanana hisarahana raha sanatria ho avy izay loza ka tonga ny tsy mety. Ny olana indrindra mandÒ ny fitiavana mantsy ka mahakitantaina ny fon’olombelona dia ny famitahana sy ny fahadisoam –panatenana eo amin’ny fiarahana. Alaivo ambony, alaivo ambany tsara aloha hoe: “ tiana anao ve ilay olona sa mitsapa ranom –bary fotsiny; Ary raha tia anao ilay olona, inona moa no tsy irosoanao handrombaka azy ? Ny mifanohitra amin’izany kosa, raha tazana fa sain – dalao ny fony, inona no antony tsy handosiranao ny fandriny? Tsy hitako mihitsy!!! Fa rehefa nataoko ny tombatombana rehetra ka namadibadika ny lalana maro hodiavinay aho, dia tsapako mihitsy noho ny farany fa tia ahy I Miavo. Tiany aho fa miandry izay hiloarako vava fotsiny izy. tsy nionona tamin’iny toky iny anefa aho fa nosedraiko farany izy nialohan’ny namborahako fatotra ny fitiavako. Tsy niandry azy handalo toy ny fanaony intsony aho fa izaho mihitsy no nanira –tena niantsoantso azy teo am –bavahadiny. -Ao ve I Miavo, azafady e? Hoy aho tamin’ilay rafotsibe tazako nisasa tongotra teo an –tokontaniny. -Mbola mikarakara sakafo izy anaka a! Tena mbola sahirana be mihitsy; hoy ny fangovingovitry ny feon’antitra ; - Fa ianao moa no iza, raha tsy mahadiso? Nisalasala aho, hiteny aho… toa handihy tsy afa- tavony ka valala eny an-danitra no asiana sira; tsy hiteny indray anefa … sao hanafohy ny ho lava fa raha tiana mantsy, hono, ny vady dia ny rafozana no tsinjovi-mandeha. Vaka teo aho, nisafo rirana teo, niahotrahotra toa sahisahy. Farany, tsy nahandry rafotsy fa natosany tamin'ny tongony roa ny fara-rano tamin'ny zinga nisasany dia nitodi-doha namonjy ny varavarana izy sady nijery somary nanenjana ny ketrona tamin'ny handriny no nanezaka nihiaka hoe: -Ataoko hoe: iza ho'aho? -Ilay mpiasa atsy amin'ny birao atsy hoe! -Tsy ianao ilay Ndrônana ? -Fa ahoana no nahalalanao ny anarako? -Ka mipetraka eo an-doha fandrinany eo anie ny sarinao e! Hoy ilay vaviantitra somary nitsiky tsy sazoka. -Ka izaho anie tompoko, tsy mbola hary nanome sary azy e! sady tsy fombako rahateo koa izany, hoy aho nanakona henatra somary nanetsika heloka ihany. Tsy tiako hisy olon-kafa hahalala mihitsy fa tia an'I Miavo aho, ary tsy mbola te-handre teny entin’olona koa aho mitatitra fa tia ahy I Miavo; na ny tena marina angamba dia tsy ekeko mihitsy ho ny manodidina no hanely tsaho raha tsy mifandresy lahatra aloha izahay roa fa mifankatia tanteraka. -Fa tena ianao anefa ilay Ndrônana ? Hoy izy toa naka toky mafy. -Ny anarana aloha dia ahy fa ny sary no mampieritreritra. -Andraso eo àry aloha fa hongotako ilay sary eo an-doha rindrina dia entiko eny hojerenao; sady nivikiviky ‘ndeha hiditra ao an-trano izy, kanjo nivoaka tampoka ‘ndeha hanary rano teo amin’ny tatatra I Miavo. Tonga dia nokopahiko sady niantso ilay rafotsy aho hoe: -Aoka ihany Bebe fa efa iny izy a! -Mitady ahy angaha ianao? Hoy I Miavo hendratra dia hendratra. -Mitady anao mihitsy aho! Tena mitady anao maika. Tsy haiko na ny fandrenesan’I Miavo hoe MAIKA no nampaninona azy na ny fahatongavako nitady azy mihitsy no tsy nampoiziny , fa poa toy izay dia niova ho mena ilay tarehiny mavokely malamalama iny ary mena hatrany amin’ny sofiny; tsy fantatro koa na reny ny resak’ilay rafotsy tamiko teo na ahoana ka mahamahina azy ny hanontaniako mikasika ilay sariko mihantona amin’ny fantsika eo an-doha fandrinany. -Andraso vetivety ary aloha hateriko any an-trano ity koveta ity dia ho avy aho. Toa izay koa no nanaovana veloma sy lakolosy niravan’ny resakay fa vao nitsofoka ny tranony izy dia niantso ahy koa ny tao amin’ny biraoko, Tsy maintsy namonjy ny asako aho. Tsy nandalondalo tao aminay intsony I Miavo iny tontolo andro iny. Sahirana izy angamba!!! Nanomboka niasa ny saiko namantatra ny toetran’ I Miavo: tsotra izy amin’ny ankapobeny, mora iresahana, fa toa miaina fiainana mifono mistery na mety ho feno mistery koa angamba satria mahavariana ihany raha izahay tsy mbola nisy fifandraisana akory, kanefa ny sariko aza efa lolohaviny eo an-doha. Ny hevitra faharoa nitsimoka tao an-tsaiko koa dia ny hoe: “izaho irery ihany angamba no tsy nahalala an’I Miavo fa izy mety mahalala ahy amin’ny antsipirihany. Misy antony ilazàko izany. - Apetrako kely aminao ity dia holalovako eto rahariva, hoy ilay rangahy nanao zavatra teo amiko. Ohatry ny hitako fa mbola sahirana mantsy ianao ka mety ho elaela. - Ao fa vitaiko vetivety ny anao e! mahazoa toerana aloha ianao fa tsisy folo minitra akory io. - Sao dia mandodona anao amin’ny asanao re tompoko ô? - Aza mihafahafa mihitsy Ray aman –dReny fa samy isika ihany anie no eto e! Ary ianareo mpanjifa indrindra no andrianina amin’ny asanay. - Sao dia manahirana anao mantsy !? - ka iza indray àry no tokony hisahiranana fa tsy ianareo izao e? Hoy aho somary nitsiky sady niala kely teo amin'ny seza nitoerako dia nanatona ilay rangahy fa vita ny zavatra nampanaoviny ahy. - Ary vetivety ianao izany a! Hoy izy gaga dia gaga amin'ny fahakingako miasa. - Isika angaha mba ela amin'ny zavatra iray izany Ray aman –dReny a! kapoakatsika io sady maika hifindra amin’ny anankiray. - Efa tena zatra asa marina ianareo, ohatry ny ho very ihany izahay raha hilaozanareo amin’ity zavatra ity. - ka ny fanambadiana aza anie tsy nafehy fa nafandrotra e! mainka fa izay asa…; Rehefa tsy anjara io dia misaraka maina. - Ary tena miresaka anie ise izany e! Ise angaha mpikabary? Tsy izaho no namaly iny fanontaniana farany iny fa ny rehetra tao dia samy nilaza izay hitany sy reny tetsy sy teroa . farany dia mba nilaza izay mba fantany ihany koa ilay Ray aman –dReny : -Tsy haiko na mahatadidy ise na tsia fa izaho no nitsara ny kabarin’ise teny Ampefiloha sy teny Andavamamba. Nahazo voalohany ise tamin’izay. Ka tsy Ise moa ilay Ndrônana ? -Tena izaho tokoa! Fa iza moa ianao? -Pasitera! -Ay! Aoka fa tadidiko! Miala tsiny Pasitera fa efa ho telo taona aty aoriana moa! Nomeko azy ny asany dia noraisiko ny volany. Nijery ny famataran’ora teny amin’ny tanako aho ka efa firavàna: nidiako ny birao dia samy nody daholo. Tany anaty fiara aho vao niverina fa nanadino entana, nivikiviky niverina tamin’ilay fiakarana kely iny aho no indro I Miavo mijaridina manohana ny rindrin’ny Birao fiasàko. Efa an-kevitry ny elaela no nijoroany teo raha ny fijeriko azy, ary sasatra ery izy manofahofa ny volony lava atopatopan’ny rivo-malefaka nitsena ahy efa tora-kelin’ny hafanana mivimbina ny palitaoko. -Fa hiditra sahady angaha ianao? Hoy izy nitsatsaingoka, nefa izaho no saika hanontany azy taloha. Hany ho’aho? Hoy izy nisafosafo ny lohako indray. -Aoka aloha fa sempotra aho! Hoy aho nanala ny tanany sady namoaka ny fanalahidy tany am –paosiko, tsy navelany novohaina anefa ny varavarana fa nosintoniny mora aho dia teo izahay niankin –drindrina teo. -Fa iza no andrasanao eto ry Miavo? -Miandry ny fidiranareo hariva aho kah! -Fidiranay ahoana? Vao mirava anie izao e! -Ka andrasako foana e! tsy ela noho ny niandrasan’ny tantara hampihaona antsika akory izany, nefa ny fotoana aza mba nahandry ka isika indray ve no hiraviravy tanana? Fotoana izao ry Ndrônana a! Fotoana mihitsy anararaotana ho fandaminana ny zavatra rehetra. Toa manjary tsy fantatro aza hoe inona no niverenanao ato amin'ny biraonao indray amin'izao ora firavàna izao! Sa nahaonan'ny vintana eto isika? -Miavo a! Nanadino ny solomasoko sy ny fitondram- bolako aho dia izay no niverenako fa tsy nanantena mihitsy ny hahita anao eto aho. Handefa taratasy ho any Toamasina mantsy aho ka tsy maintsy mila vola any amin'ny Paositra. Hendratra tampoka izay I Miavo ary nivoaramena vao mody nanarona ny endriny ho toy ny tsy niaina fihetseham –po nandalo iny izy. Nakipany kely ny volony vao niteny nihankahana izay izy nanao hoe: - Fa hanoratra ho an’iza ianao? - Handefa taratasy fotsiny aho kah! - Namana sa…? Havana sa…?Ray aman-dReny sa…? - Namana kah! Namako mandrato fahaizana any Toamasina. Nahatonga taratasy tato amin’ny birao izy omaly dia tsy maintsy valiana fa somary maika no ilàny ny hevitro. Ny paositra koa mbola ora maro vao tonga any. - ka maika izany ianao raha azoko tsara a? Voalazanao! Maika lava e! Oay ! Miala tsiny marina ry Miavo fa tsy afaka niandry anao aho ilay teo noho ny habetsahan’ny olona nitady ahy. Voatery namonjy ny asako aho ka miala tsiny indrindra. - Tsisy tsiny e! Izaho koa anie tsy nanan-kolazaina mihitsy raha ilay teo iny e! Izao aho vao vonona hiresaka aminao. - Izany hoe, tsy izao angamba fa arehefa avy eo? Hoy aho nitsatsaingoka ny resany. - Satria tara koa ianao raha izao e? Marina izany! Andao àry aloha misakafo dia rehefa avy eo miresaka e! - Tsy mahasarotiny an'I Miavo an? Sao dia tezitra mantsy ianao! -Tezitra ahoana ry Ndrônana a ? Izaho aza anie efa vonona ny hiandry ny fidiranao amin’ny roa e! - Dia hiandry eto foana? - ka ho aiza àry aho e? Izaho tsy te-hiverina any an-trano intsony fa mbola ‘ndeha ho any Ampefiloha aho rehefa avy eo. - Hay! Tsotra izany! Andao miaraka fiarakaretsaka amiko ianao fa izaho miala eo Anosy dia izy manatitra anao any Ampefiloha. - Ka tsy ampy izany fiarakaretsaka izany anie ny volako e! Tsy aloe mandeha fiara mpitatitr’olona ihany ? - Tsy izany fa tsy tiako hohelingelenin’olona isika rehefa miresaka, moa ny andro ihaonana toa zato, ka andao fa izaho no mandoa ny vola. - Fa manam –bola be angaha ianao ry Ndrônana? - Tsy hoe manam-bola be fa mba lehilahy mikarama ry Miavo a ! fa inona no mahatonga anao manontany izany? - An! An! Heveriko fa tsy dia misy vola mantsy io asanareo io - Misy vola io kah! Andao àry e! - Ary aiza ity solomaso sy fitondràna vola nalainao - Oay! Tena saika adinoko marina! Andraso kely vetivety àry aho hamoha birao e! Taitra tampoka aho! Nihodikodina sy taitaitra teo am –pitoerana fa tsy nahita hatao. - Fa inona no mapihidikodina anao anao eo e ? - Ny fanalahidy ry Miavo a! Tsy hitako n,y fanalahidy tato am –paosiko. - Fa inona ity lalaoviko ity? Hoy izy tsy rototra sady nanolotra ny fanalahidy teny an-tanany. - hay tokoa moa nalainao tety an-tanako iny teo ? Marina izany! - Fa fanina angaha I Ndrônana? - Tsy hoe fanina aho fa mba diso tadidy fotsiny. Nanidy birao izahay dia lasa nony avy eo, vao nisakana fiarakaretsaka koa moa dia nahazo; tsy nisy nipetraka teo anilan’ny mpamily fa tao aoriana izahay roa no nipetraka: izy avy eo an-kaviako, izaho kosa teo an-kavanany. Ny mahagaga indrindra amin’ny fiainana dia izao: raha ilainao ny fotoana , mihazakazaka tsy an-kijanona izy, fa raha amin’ny ora tsy tianao hatrehina dia mihisatra toa sady maneso no mandatsa anao ny zavatra rehetra. -Ndrônana a! Toa midobodoboka be ho’aho ny fonao e! Hoy I Miavo toa mananihany ahy eo ambany saokako. - Fa notsapainao angaha ny foko teo ? Ohatry ny tsy henoko! - Tsy nitsapa ny fonao aho fa niankina teo an-tratranao iray minitra fotsiny. - Midobodoboka izy angaha satria taitra! - Taitra tamin’ny torimasony sa taitran’izay manodidina anao sa taitran’izay zava –misy rehetra? - Taitra fotsiny izy! Tsy haiko, Fotoana tokony mba hahatairany koa angamba izao. Fa izao e, fetiko amin’ny tapa –bolana anio ka mba manasa anao aho ho tonga etsy Analakely. - Analakely eo amin’ny inona ? Hoy ny fitsatsaingony ny resako. - Andraso eo amin’ny tany malalaka eo fotsiny aho dia eo ianao no raisiko Sady manan –dresaka lehibe hambara aminao aho amin’io andro io. Ka afaka ve ianao sa…? -Tonga dia faka aho fa tsy aleo ve miara –miainga isika e? - Ka raha izany no mba tianao dia tsotra: handraso eo Masikara aho fa halaiko amin’ny fiara eo ianao. Amin’ny iray ora tsy diso a! -Eny àry! Dia mbola tsy hiresaka n’inona n’inona izany isika androany ? -Fa efa misy resaka antenainao angaha avy amiko sa…? -Mba te-hiresadresaka aminao fotsiny aho ry Ndrônana a! Mihaino ny feonao anie mahafinaritra e! -mahafinaritra ahona ry Miavo? Ohatra ireny mihaino onjam –peo ireny ny mihaino anao! Somary nosafoiny kely izay ny voloko dia nahofahofany teo amin’ny masoko havia ny loha-volony manopy menan’ny andro, izay vao nihomehy somary nisangy izy. Niara- nikakakaka teo izahay telo mianaka mbamin’ny Mpamily. - Fa mpanao fandaharana tokoa angaha ianao tompoko? Hoy ingahy mpamily nangala-pijery tany amiko sady miatrika ny lalan-kizoran’ny fiara nitondra anay ihany. - Fa hoana angaha? - Ka ohatry ny vao tamin’ny Alahady alina no reko ny feonao nihiakiaka hoe : “NY ZANAK’OLONA E ! TANDREMO !!! - Misy marina ihany ny voalazanao, saingy tsy mpanao fandaharana aho fa sendra nivahiny fotsiny izany renao izany. Tapaka tampoka ny resakay fa nohitsahin’Ingahy mpamily haingana ny kifahatra ka nihiakiaka tsy nifandrenesana. Niara-nitsamboatra izahay hijery, kanjo, vavy antitra efa nahazo taona no nanao fanahy iniana nanapaka arabe nefa tsy lalan’ny mpandeha an-tongotra akory. Vao nitraka aho dia tazako ny soratra roa tao anatin’ilay fiarakaretsaka nandehananay: teo ambanin’ilay hoe: “HE JEHOVAH NO MPIANDRY AHY !”, dia nisy soratra nivandravandra be hoe : “RARANA NY MIRESAKA AMIN’NY MPAMILY!”. Nitsara tena aho vao nahatsiaro tampoka; Hay moa ka ny mpamily no niresaka tamiko fa tsy izaho no niresaka tamin’ilay mpamily? Na izany na tsy izany anefa dia ny resakay ihany no nanaitra ilay mpamily ka nahatonga azy nanontany. Noho izany, tsy afa-tsiny marina ihany aho. Tafajanona ihany izahay, tafita ihany koa ilay vavy antitra; nitohy indray ny dia. - vaventy ny volanareo sa madinika? Hoy ingahy mpamily niteny tsy an-kitodika intsony. - Dimy arivo ariary ity! Hoy aho mbola tsy tonga saina tsara sady nangarongarona ny vola tao am –paosiko. - Aleo àry aloha hanampy lasantsy eto isika e! Nalain’Ingahy mpamily ny vola teny an-tanako, novelominy ny fiara; natolony ahy ny famerim –bola dia nijerijery ny havia sy ny havanana izy vao sahy niroso nanitsaka arabe. Vao niainga ny fiara dia nanomboka niteny nahalankalana indray I Miavo. - Ohatra izao foana ve ny fiainanao isan’andro? - Androany ihany kah! Isan’andro aho misakafo any amin’ny Hôtely na any amin’izay olona manasa ahy. - Ary ireo mpiara –miasa aminao ireo koa izany misakafo miaraka aminao any amin’ny hôtely? - Tsy fantatro! Ny ao am-piasana no ifankahalalanay fa ny any ivelany kosa samy mba mihevitra ny lalany. Ny fiainana samy manana ny azy ry Miavo a ! Ny olona maro anaka, izaho tokan –tena; Ny olona manara-damaody, izaho tia hanina. Ka tsy mitovy mihitsy ! - Ary ny fanamianareo izany dia tsy maintsy kendaina tahaka izao foana isan’andro? - Tsy maintsy satria lalàn’ny asa io. Sady tsy dia ratsy koa anie! - Oay! Ity amin’izay àry ny palitaonao fa etsy aloha etsy no misy malalaka azo ijanonana, dia ny an- trano indray mihaona e! - Fa ny amin’ny tapa –bolana a! aza adinoina !!! - Matokia ianao Ndrônana a! Ho avy aho! - Mba hajanony kely eo ange ny fiara r’ingahy mpamily azafady fa eo aho no miala a! Nijanona izy dia nisaotra, izaho koa nisaotra sy nanao veloma azy mianaka. Noraisiko ny tanan’I Miavo dia narindriko ny varavarana. Izy mbola nizotra nankeny Ampefiloha. Mahavariana ny fiainana, fa raha andasanao ho potsitra ny vay dia vao mainka mangonahona sy mangirifiry; dia toy izany koa ny resaka: rehefa andrasanao ho vaky ny marina sy ny ao ambadiky ny tetika rehetra, dia vao mainka koa avalon'ny fotoana ho amin'ny andro manaraka indray na ny toy izany. Nahagaga ny tsy nahasahiako nivaky am-batolampy tamin'i Miavo tao antin'iny fotoana mamy indrindra iny fa tia azy aho. Tsy fantatro na mizotra manaraka ny rindran –damin'ny fotoana ny fiainan’ny zanak’olombelona eto an –tany, na izy mihitsy no efa nalahatra ho amin’ny kohon –dalana tsy azo ihodivirana, ka tsy mandaitra aminy ny tampoka sy ny kisendrasendra raha fikirina ho fanararaotana. Tapaka teo ny amin’iny, fa renim –pianakaviana iray no nanapaka nanitsy ahy sady maloka dia maloka ny endr iny. - Fahasalamanao tompoko ? Hoy aho nandray ny tanany. - Salama tsara fa dia misaotra! - Ary mitady ahy angaha ianao ? - Avy nitady anao tany an-trano mihitsy aho izao fa mbola mihidy any; miantso koa aho anefa , tsy mahazo mihitsy ny telefaoninao fa tsy haiko! - Namono telefaonina mihitsy aho androany fa be loatra ny asa tsy maintsy nalamiko tao am –piasana satria handeha fialan-tsasatra manomboka amin’ny herinandro ambony aho. - Dia tsy hisy antsoantsoanay intsony izany? - Izaho no handeha fa ny asa sy ny mpiara – miasa amiko miaraka aminareo foana. Ka inona no ilànao ahy; sa voatery tsy maintsy any an –trano isika no hiresaka? - Mety ho vita eto ihany angamba ka ! - Ka arosoy àry fa somary manenjinenjika fotoana kely ihany isika. - Hono, ho’aho ry Ndrônana, mba manontany anao aho: azonao havoaka amin’ny Gazety ve fa tsy jiolahy ilay lehilahy voatifitry ny Pôlisy tetsy Andravoahangy? - Fa inonao ilay izy? - Izany hoe, fianakaviana aho, saingy tsy mety amin’ny saina ny mieritreritra ny fahanginana fotsiny amin’izao; fa tsy maintsy mba miteny maneho ny alahelon’ny tena. - Ka izao e, Ny vadiny koa efa nihaona taminay ary efa vita ny fanadihadiana rehetra hamoahana ny andinindininy mikasika izay, satria asa sarotra ny asa fanaovan –gazety ka manjary maningotra anay io raha tsy maty porofo tsara ny fahamarinana sy fitombenan’izany. Na izany , na tsy izany anefa dia tongava ianao ao amin’ny biraoko rahampitso maraina amin’ny sivy - Ao amin’ny birao fanaovanao gazety? - Ao indrindra! Nandray ny tanako izy dia nataoko veloma; fa ny saiko tsy niala tany aminy sy ity fisehoan –javatra hafahafa ity. Ny tsy mampanjaka ny fahamarinana eo amin’ny Firenena iray dia ny toe-tsain’ireo izay heverina fa tokony hampijoro izany ary indrindra ny tsy fahafantarany ny hevitra lalina raiketin’ny teny hoe : “ MARINA”. Sarotiny amin’ny filalaovam –pahefana eto Madagasikara aho raha samy hanao kapok’ombin’ny tsy miala vola ny mpifehy rehetra ; satria ny olona nantenain – kadamina indray no lasa fampihorohoroana sy fanakorontanana ny firenena. Dia any amin’iza indray ny vahoaka no hiandrandra fandriam –pahalemana? Indray andro tao BERONONO efa nisy trangan – javatra tahaka izany : nandalo ny zandary mpisafo tany, ka nijanona indroandroa andro tao an –tanàna. Tsy fantatro na aretintsika Malagasy mihitsy na kileman’ny sasantsasany , fa efa lesoka hatrany amin’ny tolona fitakiana ny fahaleovan –tena izany “GASY MAMADIKA GASY” izany. Notondroin’ny olona iray ho nividy omby taminy ity rangahy lehibe iray , nefa nolazainy fa tsy nandoa vola. Tsisy taratasy, tsisy porofo, fa izay fomba nampandriana ny tetika no tsy dia takatro loatra; fa nentin’ny zandary avy any ilay voatondro molotra dia tsisy fanadihadiana , tsisy alaharo fa tonga dia daroka kitay sy zera vodibasy no nampandadizany ilay rangahy eraky ny tokontaninay. I Dada no teo amin’ny fitondrana sy nitantana ny tanàna tamin’izay. Samy nanana ny heviny ny olona teo am –pijerena iny vonoan’olona iny, fa tokana ny filazako azy : “FITSARANA MIANGATRA!”. Samy nitakorotsika ny vahoaka, samy nitsanga –nitoetra ; fa ny fihetsiky ny zandary tamin’izay no tsy levon’ny vavoniko mandrakizao. Vonoan’olona, hoy aho, na dia tsy afaka aza ny ainy, satria raha ny rariny sy ny hitsiny , na dia tsy mahatakatra ny tetik’ady fampandriana ny tany be dahalo aza aho dia mahafantatra tsara ny didy aman –dalàna fa “ na inona na inona sora –keloka vitan’ny olona iray , raha tsy tratra am –bodiomby izy , dia tsy tokony iharan –tsazy mihitsy raha tsy efa vita famotorana”; ary iza moa no tsy mahalala mazava tsara fa ny zandary anie tsy mpanasazy na mpanafaka olo –meloka fa natao hihaza sy hisambotra fotsiny ihany e! Anjaran’ny Fitsarana ny manadio na manameloka, ny hanafaka na hanasazy. Kanefa impiry ? Impiry moa ao Miakotso no misy dahalo raindahiny afaka madiodio noho ny fananany vola andoavana onitra ho an’ny zandary? Ary impiry lavitr’izany koa ny fisian’ny mahantra migadragadra foana amin-javatra tsy natao noho ny halako bika tsy tiako tarehy, ny tombo tsy vorovoro, sy ny sisa: nigadra avokoa ankamaroan’ireny voarohirohy ireny satria tsy manam –bola! Tsy manan – karena ! Mahafantatra olona maro aho, tafavoaka ny fonja nitazonana azy fa nokarakarain’ny fianakaviana : nivarotana omby miasa, nivarotana tanimbary, na mahafantatra olona ambony sy manam –pahefana eo amin’ny fitondràna. Mandroba im –polo aty ambany ravinkazo izy dia miverina indray mandeha any Antanimora, ary mijanona telo volana maka aina any dia miverina mamaly faty sy manao izay tsy hampandry ny tany . vahoaka firifiry akory no tera –panontaniana amin’izay itoeran’ny fahamarinana amin’izany. Amiko ny marina dia dia fandrin –drano : izay mangalatra tokony higadra, ary izay migadra tokony hanapitra ny saziny any an –tranomaizina. Fa tsy tokony ho gaga isika raha mikorontana ny tany satria tsy voahaja ny ara- dalàna. Inona ny lalàna voasoratra sy nolaniana mifanaraka amin’izany? Ary hatraiza ny fanarahana azy? Fa izay no atao hoe: “FANAJANA NY ZON’OLOMBELONA”. Fa teto, tsy haiko na amin’ny tany lavit’Andriana , na amin’ny fiteniko matetika hoe: “ MANGINA I TANANA”; fa dia teo imasom –bahoaka no niseho ny fandikan –dalàna. Samy nanana ny fitsarany ho’aho ny olona, ary samy nisento dia nangina tany, fa izaho tsy nanaiky raha tsy nitabataba sy nivazavaza eran’ny tanàna satria tsy lanin’ny vavoniko loatra raha an-kasomparana no ampiharana ny lalàna. - Eto ambany seza eto ialahy mipetraka, fa tsisy hatorian’ny olona! Hoy ny treron’ilay zandary tanora, tamin’ilay antitra fotsy volo, sady nodakàny ny tongony , ny fofon –toakany amin’izany manempotra anay mianakavy eran’ny trano; Miditra mampijaly ilay rangahy izy dia mivoaka mandrora any an-tokontany . Tsaroako tsara ary tsy lefy ato an –tsaiko mandrakizay ny vary nentin’I Mama hohanin’ilay rangahy nefa nosakanana. - Ento miverina ny sakafonareo madama fa sady tsy mahazo misakafo io no tsy mahazo matory a ! Ny mamo moa mamo eny ihany, nibetroka farany izy dia lasa. - Tsy misy miandry an’ialahy eo fa I sefo handeha hatory! Tandremo fotsiny sao mitsoaka fa azonay foana ialahy ! - Fa izaho angaha nanao ratsy sefo a? Eto foana aho miandry izay sitra- ponareo. Mandehana ianao raha hatory fa izaho tsy miala ato,Ray aman-dReniko be loatra io tompontrano io - Ka na handositra koa aza moa ialahy ho aiza fa ny tanan’ialahy sy ny tongotr’ialahy efa mifatotra. Vao lasa lavidavitra kely izy dia fantatr’I Dada fa tsy hiverina raha tsy elaela; raha hiverina ! Nalain’i Dada ny vary dia nofahanany haingankaingana ilay rangahy, avy eo, nampirininy ny vilia sy ny sotro. Ny fahatsapako ny fahafahanay dia ny fitandroan’ny fianakaviako mandrakariva ny hasin’ny maha- olombelona, indrindra fa ny hasarobidin’ny aina. Tsy miron –dalina amin’ny madilana hotentenina isika , faha raha tenenina,hono, ny lesoka, mba misafo ny azy koa ny petak’orona. Tapa –bolan’ny nisarahanay sy I Miavo teo Anosy dia tonga indrindra teo amin’ny fotoana nifanomezana ny andro. Niomana fatratra aho fa hiseho vahoaka moa, sady nikendry izay endrika mety hitiavan’I Miavo izany Ndrônana izany : miroso manoloana ny fitaratra dia mihemotra manisika lobaka; mitsangana mamatotra karavato dia mipetraka mampiditra kiraro. Ny ora lasa…tsy ferana! - Ndrônana a! Hidina aho! Hoy ilay zandry kely tafantona tambony seza. - Ary aiza ny fanalahidin’ny fiarako no nataon’I zandry? Hoy aho sady nampidina azy. Sao dia entin’ise mody any? - Ity anaty paosiko ity! Omena? Hoy ny fibadabadany fa zaza tsy nafoy ahy izy. - Ilaiko iny ka ! Nanidy trano aho dia namelona ny fiarako. Tsy niandry ela fa tonga dia lasa. Manatomotra indrindra ny ora miandry : eny an –dalana aho vao lasa saina (…) - Ndrônana a! Hoy ny fanindron’ilay feo reko tampoka toa lavitra akaiky. Nierika niankavia, niankavanana aho sady nanomboka nandeha mora . tazako avy eo amin’ny fitaratra aloha, fa hay I Miavo no nikopakopa –tanana teo an – kaviako nanamorona ny arabe fizoran’ny fiara midina avy any Anjanahary. Kanto I Miavo raha atao indray mijery fa tsy nampoiziko mihitsy izay fanamiany nendrehan’ny zipo lava mangamanga hatrany an –kitrokely izay. - Ampamonjeo sisiny aloha ny fiaranao dia mijanona mihitsy fa tsy tafiditra eny am –pandehanana eny aho ! Hoy ilay feo keliny arahin –goty . Mbola tsy miafina foana fa taizan –dRenibe I Miavo ka nanjaka fitiavana , na dia efa tototry ny soa sy ny kanto amin’ny faharahana toetr’andro aza. Nitsiky kely sary nananihany izay aho dia namily ny fiara hilahatra amin’ireo efa nijanona teo aloha. Nohitsahako ny kifahatra ary nandinika ny fiaviny sy ny bikany manontolo nanatona ahy aho. Tonga dia novohany ny varavarana teo anilako ka niditra izy. - Ary manitra be anie ato anaty fiaran’I Ndrônana izany e! - Fanahy iniana mihitsy ry Miavo a! - Fanahy iniana ahoana? - Satria androko androany ka tokony hanotrona ahy avokoa ny soa sy ny tsara mifanandrify amin’ny fiainako; indrindra fa ny tontolo manodidina ahy. - Ka arahabaina àry i Ndrônana tratra fety e! Etsy horohiko kely! - Misaotra betsaka! Mahazoa toerana àry fa hiainga isika e! - Satria isika sy ianao irery no mandeha amin’ity fiara ity? - Efa natokana ho ahy irery mihitsy ity androany ! Oadray! Ho antsika sy ianao mantsy e! - Aza be vazivazy ry Ndrônana a! - Tena marina anie izany ry Miavo e! - Ka andao amin’izay àry e! Moramora ihany fa sao handona olona eny an –dalana eny ka tsy vita ny fety. - Sady ny namako efa miandry any daholo! - Raha azoko tsara dia be dia be tokoa ny olona hanotrona izao fetinao izao? - Maro tokoa satria ivelan’ireo tapaka sy namana tsy afa – miala , dia ho avy daholo koa ireo olona nasaina: Olon –tsotra, Manam –pahefana, Mpanakanto, Mpikaroka sy Mpandalina maro. - Ndrônana a! Fa ianao ity inona mihitsy e! fetinao ve dia hahatongavan’izany rehetra izany e? - Aza taitra ianao ry Miavo a! Mbola ho fantatrao amin’ny antsipirihany ny fiainako sy ny tantarany rehetra. Fa ny androany aloha dia hamonjy fety isika. Nihazo an’I Mahavoky ny lalanay fa tsy nihodina teny amin’ny ROTSIROTSY; niadana dia niadana ny fandehako na dia tsy nisy fitohanana firy aza ny fifamoivoizana. Samy nangina kely vetivety izahay nefa tsy nitovy zavatra noheverina velively. Fantatro tsara fa ny fety hatrehina sy ny ambaratongan’olona ho hita ao no nahajenjina ny sain’I Miavo , ka saika naharesy tory azy vetivety foana teo, ny ahy indray anefa dia ny momba azy sy izay mety hahatanterahan’ny fikasanay no nandrevo ny eritreritro ka nahatsindriako tampoka ilay fampaneno miraikitra amin’ny familiana. Efa nanatona hibedibedy ilay Pôlisy mpandrindra ny fifamoivoizana vao samy taitra izahay; nifampijery dia samy gaga : izaho nanatranga ny lelako moa I Miavo nihomehy tsy sazoka hafahafa izay. Nataon’ilay Pôlisy teo amin’ny fihirifany ny loha-ratsany dia nanatona moramora izy: - Azafady kely ny taratasin’ny fiaranao r’ingahy mpamily! - Ity sefo! - Ara – dalàna. Nefa mba hanontany anao kely aho : Mpamily vita fianarana ve ianao sa tonga dia nitondra fiara fotsiny? - Vita fianarana aho sefo! - Ka fantatrao ny lalàna? - Fantatro tsara sefo! - Dia inona no nanaovanao fanahy iniana? - Tsy izany fa variana aho sefo! - Olona mamily fiara ve ianao dia variana ry zandry? Fantatrao fa miantoka ain’olona ianao? - Mba sendra tsy nahy re sefo ô! - Ka mankaiza inareo? - Hamonjy fanasana tompoko! Hoy I Miavo nitsatsaingoka. - Aiza? - Any Analakely. - ‘Ndao àry ! tandremo amin’ny manaraka! - Misaotra sefo. Tsisy folo minitra akory ny nanadinana ahy dia efa nitohana izay tsy izy ny fiara tao aorianay, nikiakiaka tsy nifandrenesana. Nifampitopy maso izahay sy I Miavo dia samy velon –tsiky. Halan –doza foana isika ity! Hoy aho tany an’eritreritro tany, tsy niloa- bava. Novelomiko ny fiara dia lasa indray izahay, nitohy ihany ny dia. Tsy nampitombo hafainganam –pandeha mihitsy aho fa izay afa – nisongona dia nisongona; ny tsy afa- nanoatra, nanaraka mora. Misiotsioka aho dia mihirahira sady manodikodina ny familiana ihany, fa I Miavo koa dia miha – miverina amin’ilay nofiny teo. Alefako hirahira ny fiara dia avadiko tononkalo tampoka: NANTENAINY, LALANY, NY DITRAN’ISE…, samy lohateny reny sy nifandimbindimby teo fa tsy nahataitra azy tamin’ny nofy maminy, fa vao hoe : “NY ZANAK’OLONA”, dia hendratra tampoka izy ary tsapako fa nitsantsika dia nitsantsika. - Inona no mampitsamboatra anao ry Miavo? - Efa reko foana izany tononkalo izany, fa anao angaha izany? - An’ny aingam –panahiko ka! Tianao? - Tiako be mihitsy!!! tena tiako aza. Nangina tampoka indray I Miavo , toa nandefa saina lavitra vao niteny moramora hoe: - Ndrônana a! Ohatry ny mahafinaritra be izany ho’ aho ny miaraka aminao e! - Ohatrany sa tena mahafinaritra e? - Tena mahafinaritra mihitsy ! Na ny fitondranao fiara aza tsy mba toy ny an’olon – kafa. Sa manamboatra fihetsika ianao fa mitondra Andriamabavilanitra ? - Toy izao foana ny fihetsiko ry Miavo a ! Tsy misy n’inona n’inona vaovao mihitsy amin’ny mahazatra ahy afa-tsy zavatra tokana ihany dia izao : “misy anao eo anilako” - Sambatra ianao ry Ndrônana! - Nefa ho sambatra lavitra noho izaho ianao raha tÒ ny faniriako. - Izany hoe, ny fanirianao ahoana? - Miavo a! Mba afaka mitia anao aho ve? - Ndrônana! Dia tia ahy ve ianao? - Tia anao tanteraka aho ry Miavo a! Tsy haiko afenina intsony - Fotoana ve tokony ilazàko ihany koa fa efa tia anao hatry ny ela aho ry Ndrônana? Saingy tsy maintsy fantatro aloha fa tia ahy ianao vao ampahafantariko fa tia anao aho. - Satria nahoana? - Satria vehivavy aho ka tsy hisalovana ny zonao. - Dia hifankatia izany isika ry Miavo? - Manomboka androany ka ho mandrakizay raha sitraky ny Lanitra. - Etsy àry horohiko izany malalako izany. Hafahafa amin’ny fiainana tokoa ny miaina rivotra hafa ivelan’ny mahazatra, indrindra fa ny rivo – pitiavana. Tsy tsaroako intsony ny fihetsiko rehetra nentina nanehoam – pitiavana an’I Miavo, fa indraindray fihiniko mafy be ny tanany, indraindray safosafoiko ny tarehiny , dia lalaoviko indray ny volony avy eo. Tsy nisy afa-tsy ny tanako iray sisa niantoka ny familiana, fa ny tenako iray manontolo toa lasan’I Miavo ambongadiny. - Ndrônana a! - Ahoana izay ry Miavo? - Afaka miara- mipetraka amin’ny malalako ve aho ao amin’ny fety ? - Tsy afaka ianao sombinaiko fa ny sezako irery no voahomana ao, kanefa aza matahotra fa efa manana toerana voatokana ianao: izaho no manatitra anao any. - Dia mifanalavitra be ve isika? - Manatrika ahy toy ny olon –drehetra ianao, ary izaho no atrehina. Manotrona ahy toy ny nasaina ianao fa izaho no otronina. Tsy mampisy elanelana antsika izany ry Miavo a! Fandaminana fotsiny fa tsy inona akory. - Dia ela be ve vao hifarana ity fety hovonjentsika ity ry Ndrônana? fa maika angaha I Miavo? - Tsy hoe maika aho fa mba te – hivelatra bebe kokoa amin’ny fahafantarana anao sy ny amin’ny fifankatiavantsika. - Mamono masoandro mihitsy ny fety , fa manana fotoana malalaka isika any amin’ny toeram –pisakafoanana - Fa hafa angaha ny toerana hanaovana fety dia hafa koa ny hisakafoanana? - Toerana roa samy hafa ireo saingy efa voahomana daholo - Dia miara- mipetraka amin’izay isika sy ianao any amin’ny fisakafoanana a! - Mazava ho azy! Manonofy zavatra tsy takatra aho mifamaly resaka eo anilan’I Miavo. Na ny saiko, na ny tenako dia tsapako nitambatra ho nofo fotsiny ihany, mipararetra kely izany aho indraindray dia mikoha - maina koa matetika. Tsy sasatra nisafosafo ny lohako izy nandritra ny dianay ary izany aza no saika nitarika ahy tamin’ny faharesen-torimaso ka nanadinoako ny fivilian – dalana manakeo amin’ny fiantsonana. Nihodina tany Andohan’Analakely indray ny dianay vao nidina tamin’ny lafiny avaratra. - Ampidiro eto fa eto malalaka e! Hoy ilay tovolahy kely nisafosafo ny tanany tamin’ny fitaratra tandrify ahy. - Ambenan’ise tsara anefa? Hoy aho nampidina ny fitaratra ho ambanimbany kokoa hifankazoan’ny resakay. - Fa adiny firy I ramose no any? - Mpaharivan’ny andro mihitsy fa sao dia tsy andrin’ise - Andriko fa izaho angaha mody aiza Ramose a! Ety anie izahay no matory e! Aza matahotra ianao fa andriko io. - Dia omena ohatrinona àry I zandry e? - Mba omen-dRamose ARIVO aho izany fa tapakandro iray manontolo. - Dia rehefa avy any izany ny volan’ise fa mbola tsisy madinika! - Sao dia mba misy kely ihany aloha Ramose fa tena mbola tsy nihinana mihitsy anie izao e! Tsy naharitra nitazana sy nihaino fotsiny ny talahon’ilay tovolahikely vao telo ambinifolo taona monja I Miavo ka mba sahy nitrerona malefaka ahy; nitrerona nefa , nitrerona nahagaga ahy. - Ary raha mba omen’ialahy vola kosa izy aloha fa io anie no fitadiavany e! sa tsisy madinika any amin’ialahy? - Oay! Misy tokoa ato ka! Hay moa misy ato… Ary toa tsy ato am –paosiko aza izy teo! Azafady hoe mba sokafy amin’io vatakely alohanao io e!…Misy ve ? - Oay! Fa ataonao inona aty daholo ireto vola be dia be ireto ry Ndrônana? - Nanasa olona anie isika ry Miavo e! nanasa olona hihinana sy hisotro, ary hifaly sy hanao fety, ka tsy rariny ve raha miomana? – Mba hakao ARIVO ao àry homena an’I zandry e! Dia aleo omena mofo iray amin’ireto be dia be ireto izy fa ireo angaha moa ho lany? - Inty àry e! - Misaotra! Inty zandry a! Dia iny koa mba misy mofo iray omena an’ise. Dia ambeno tsara ny fiaranay an! Sao varian –dalao mantsy ise ka indramin –dry zalahy eo io. - Misaotra betsaka, tompoko! Matokia e! Tsy tapitapitr’izay dia tonga daholo koa ireo mpitsena anay : tao ny te- hiarahaba fotsiny noho ny fety sy ny fahatongavana, tao ny hitatitra ireo entana sasantsasany nentinay tamin’ny fiara. Niraisan’ny rehetra ny endrika sariaka sy feno hanihany; fa niombonan’ny daholobe koa ny ampahan –tsegondra toa nandinindinihana sy nagalaram –pijery an’I Miavo. Nisy nampitaha an’eritreritra tao fa tsikaritro, kanefa tsy nahita fifandraisany taminay mihitsy na endrika na volo na fihodirana. Vaka tamin- javatra tsy nampoizina tahaka izany ny maro, fa gaga aho raha tsisy tera- panontaniana tamin’iny fihaonana voalohany iny , na dia iray aza. - Tonga dia handeha izahay a! Hoy ny sasany, - mbola hijanona ve ianareo e? Hoy indray ny hafa; fa izay zokinjokiny teo no nanezaka hoe: - Sao dia mba tara ry Ndrônana a! aza ela e! - Andao àry e! Hoy aho nitantana ny tanan’i Miavo tamin’ny tanako ilany , sady nivimbina ny telefaonina tamin’ny ilany koa. Poa toy izay dia niditra ny varavarana izahay sy i Miavo rehefa samy nahazo ny toerany daholo ireo nitsena anay. Vao nandingana ny tokonana izahay dia nitehaka nirefodrefotra tsy nisy ohatr’izany eran’ny trano; Izahay namakivaky lalantsara, moa ny andaniny sy ankilany izay nolalovanay dia nitsangana avokoa. Teo amin’ny aloha indrindra anilany ankavanana no nametrahako an’i Miavo; najoroko indray izy avy eo dia las a namonjy ny latabatro sy ny sezako tery aloha aho.. - Mahazoa toerana daholo tompoko! Hoy aho, dia mba namonjy ny seza fipetrahako koa aho. Niroso ny fotoana, niroso koa ny resaka sy ny hevitra rehetra: samy namosaka izay tany an –tsainy ny tsirairay, ary naharitra adiny telo ny loa -bary an- dasy nifandimbiasako tamin’ireo olona nasaina sy vahiny manan – kaja. Faly tamin’ny laniny tokana fa maro no namaly ny antso, saingy saron –drahona ny ilan’ny saiko raha tsy nahita afa-tsy salovana vitsivitsy tamin’ireo sakaiza tsy nifankafoy tamiko hatramin’izay aho. Nanony ny foko niandalana teo am –pitoerana teo ny fahitako ny endrik’i Miavo teo anilako: olo-tokana mamikitra ny fitiavako! Tsapako ho hendratra dia hendratra izy raha nitsangana nametraka fanontaniana tamiko ny mpianatra mpikaroka iray tonga teo : - Raha mba azonao hazavaina, misy antony lehibe ve ny tsy nahatonga anao ho MPITANDRINA? Azafady tompoko! - Raha amin’ny maha – Olombelona ahy , dia manana porofo maro aho hanazavako ny antsipirihany; kanefa noho ny maha – drafitra maty paika ny fiainantsika eto an –tany , dia apetrako tsotra fotsiny hoe: mety ho tsy antson’Andriamanitra angamba fa faniriako fotsiny ihany ny hitondra Fiangonana ka izay no tsy nahatratrarako azy. - Izany hoe, raha tonga ny antso dia mbola vonona ianao? - Mazava ho azy! Ny fandalàntsika ireo ANJARA sy LAHATRA ary TENDRY no heveriko fa mampilamindamina kokoa ity Firenena ity , fa tsapa ho tena namotika ny nentin –drazana ny toe-tsaina samy maka ho azy, naredaredan’ny fandrosoana; hany ka lasa zava – poana amin’ny Malagasy ny finoana ny tsiny sy ny tody satria mirehareha ho efa lasa lavitra isika.matoa aho nanaiky ny fisarahako tamin’I Sahondra kely efa nofofoiko ho vadiko mandrakizay , na dia efa fato –maty aza ny fifankatiavanay tany am – piandohana, dia satria fantatro fa tsy anjarako izy, ary nety nalahatra hifankatia tanatina fotoana voafetra izahay fa notendrena hisaraka tan – tendron’ny lalana nangidy indrindra. - Mafy saina ihany ianao nahalefitra ny nataon’I Sahondra, fa tsy namaly faty azy , hoy ny namako rehetra. - Ny soa atao levenam –bola , hoy aho, fa ny ratsy atao loza mihatona. Tsy maintsy hatsingerina amin’ny isam –batan’olona ny zava-bitany teto amin’ity tany ity, na ho ela na ho haingana. Ka na tsy hahatratra an’I Sahondra aza ny todim –pitiavana, dia tsy ho afaky ny taranany, ary na dia tsy azoko aza ny valim –pitia noho ny tsy namaliako faty azy, dia mba hanambinana an –janaka aman –jafiko mifandimby. Nitohy ny ady hevitra… - Raha ny fahitako manokana dia miompana amin’ny seha –pitolomana ny androatokon’ny tsangan –kevitrao, ary ao anatin’izany no ahatsikaretako fa tsy tena mandry fahalemana ny Firenena, raha ny fomba fijerinao manokana. Toa olona tsy afa- po amin’ny zava-misy izany ianao fa mikatsaka tontolo tonga lafatra mandrakariva. Azonao hazavaina kely ve tompoko? Hoy ilay Olo – manan – kaja iray nifanila toerana tamin’I Miavo. - Tsy hoe izaho no tsy afa –po, fa ny zava – misy ihany no tokony hampianatra antsika ny zava – misy; tsarao amin’ny tranga ny hevitra, ary aleo hipetraka ho fandrin –drano ny marina : “mitovy torosy, tsy mitanila”. Diniho tsara: sempotry ny tolona sy ny adim –piainana ny teto an – tanàna, ka tonga leon’ny fahoriana sy ny tsy fananana, sasatry ny mosarena sy ny nadio tsinay nandry fotsy, ary kivin’ny andraso….andraso…lava; ka tena efa vonona ny hitokona. Nanaovana antso avo indray fa VAOVAO ny FANANTENANA : ho avy ny vary, ho avy ny laoka, hitombo ny aina ; dia rohotra daholo indray nankany; inona ny teo? Fitaka foana ny nandoaroany jabora fa toy ny ala ihany ny ripatra. Tsy azo natao ahoana intsony fa namotoka haiky ny be sy ny maro, tsisy farany intsony ny “AOKA IZAY” eraky ny arabe sy ny elakela-trano, fa jembin’ny kaikitry ny amboakely tiana. Nanidy trano ny sasany , nanao valabe ny ankamaroany ; Ireo vitsivitsy mbola niandry ny sidina manaraka aza, mbola vao teo amin’ny fiantsonana dia efa namatotra mafy ny hetrany. Tampotampoka teo, nolambolamboIna tamin’ny lela mamy sy ny lamba mamirapiratra , ary nojonojonoina sy nosafosafoina tamin’ny vatomamy sy ny “inty kely” ny fanalahidim –bohitra, ary nikokohana “FAHAMARINANA sy FAHAMASINANA!” teny am –bavahady; tsy nisy toa inona akory dia tafaporitsaka daholo ny lafy valo, nisy tsy naharay lamba mihitsy aza ny sasany nitsangan –ko lohany. Niakatra teny amin’ny toeram –pitsaboana izahay fa am –bavahoana ny zaman’Iantso, ka nentina tamin’ny sarety; izahay tonga, ny Mpitsabo nampiandry fa mbola hijery ny fanirian’ny mangahazony any an –tsaha, hono. Niangavy sy nandresy lahatra azy mafy aho , fa efa niady tamin’ny fahafatesana ny marary, kanefa vao mainka nadrodrodrodrony mafy ny môteran’ny môtô dia iny izy no lasa. Tsy mbola tafaverina akory izy dia tapitra ny ain’I Zaman’Iantso. Nozogaina indray ny omby dia nentina niverina nody ny razana. Aminareo, FAHAMARINANA inona no hanjaka any amin’ny tany lavitra andriana , raha mbola mamelon – drirana sy manadio kiraro eto an –drenivohitra ny tompon’andraikitra ambony miahy ny madinika, FAHAMASINANA inona no mipetraka ao anatin’ny tsy fitandrovana akory ny ain’olombelona? Fa saingy voizina ho marina ny diso dia MARINA, ary vasohana ho diso ny marina dia DISO; takotakonan’ny bozaka sy ny ravin-kazo izahay any dia odian – tsy jerena, ary sakantsakanan’ny fotaka sy ny lalan – dratsy ka tsisy mpitsirika. Manginy fotsiny izany raha famborahana ny fahoriam –bahoaka, fa mbola fery hafa ihany koa ny fanabeazana sy ny Tanàna raha samy hosokafana. Any an-tsaha any, tsisy mahalala izay FAHAMARINANA sy FAHAMASINANA any, fa ny FAHORIANA sy ny FANGIRIFIRIANA no tsakoany andro aman’alina. Ny tena “fahotana mahafaty indrindra” amin’ny fahazaran –dratsintsika Malagasy, dia ny tsy fananana hazon-damosina fa matin’ny rombon’Ikalamarenina: miara –mirona , dia miara – mivarina, ary any no marodona dia any tokoa no miatonta nefa efa lefona maranitra no mitaty ao. - Mba azonay fantarina ve tompoko ny anaran’ny tanàna misy anao any Ambanivohitra any - I BERONONO no anaran’ny tanànako sy mbola onenan’ny Ray aman –dReniko hatramin’izao. Nirava ny fety, nidina naka an’i Miavo teo amin’ny toerany aho dia nitarika ny olona nankany amin’ny fisakafoanana izahay. Samy nitombina tamin’izay seza tiany tao fa tsy nisy toerana voatokana intsony afa – tsy ny seza teo anilako izay nahagaga ahy fa nitombo iray vetivety foana teo - Mahazoa toerana daholo tompoko ! hoy aho dia nosarihiko hitombina ihany koa i Miavo - Tsy mbola reraka be ve ianao ry Ndrônana? Hoy ny fiangotiny namihina mafy ny soroko. - Fa maninona aho no reraka? - Ka ianao anie miteny, tsy mba mahay miteny mora fa manezaka mafy ery e! - Rehefa fifaliana tahaka izao no atrehako dia tsy mahatsapa harerahana aho raha tsy efa any am – pandriana. Satriko foana aza hiteny mba hanome fahafaham –po ny olo – manatrika. - Ary ianao tena mahay miteny an! - Mahay miteny ahoana ry Miavo a? - Tsy kisendrasendra foana, hono, ny maha – Mpanao gazety anao fa tena talenta mihitsy - Iza no niteny izany? - Ilay rangahy nametraka fanontaniana teo anilako iny. Variana be mihitsy izy mibanjina anao. Toa tsikaritro mody manitatra fanontaniana izany aza izy mba hahalava ny resaka havalinao azy. - Dia mahatsikaritra zavatra mihitsy ianareo ireto marina. Tsy ny firesako andavanandro ihany ve no nataoko tao e? - Ohatry ny Ndrônana hafa mihitsy aza no natrehanay tao fa tsy ianao ilay be hanihany sy tsotso –po malefadefaka isan’andro, taitra tampoka aho indraindray mahatsikaritra anao ohatry ny mitroatra mafy sy mampiaka –peo - Teren’ny zava –misy aho ry Miavo a! Ireny no zavatra tsy azo andeferana ireny. - Ary raha hamahàna kely ny karavatonao fa mafana be loatra anie ianao izany e! jereo ity hatsembohanao - Adinonao angaha fa imasom –bahoaka isika izao? Samy tsy azo atao ny mamaha kiraro, na manala palitao na mamaha karavato raha miatrika olo –maro tahaka izao ; raha fara –tsy fidiny tena tsy zaka aza dia miala tsiny amin’ny rehetra aloha izay vao azo atao izany. Fa aleo ho izao e! mbola zakako ihany tsinona. - Aza dia mihafy loatra ohatra io fa sao entin –kenamaso e! Mbola ho ela anie ny eto vao hirava e! Samy nanatràka ny lohany tampoka izahay sy i Miavo fa nanatona ahy ny mpikarakara tao amin’ilay fisakafoanana. - Miandry ny fanoloranao ireto sakafo ireto anie ny rehetra vao hanendry e! - Oay ! Azafady fa saika hadinoko marina ! Misaotra anao. Nitsangana nanolotra ny sakafo aho, dia mba nilazaza ny amin’ny fombafomban’ny anton’ny fanasana toy itony sy ny foto –kevitra raiketiny ary farany dia navitrako tamin’ny hoe: - Dia mirary antsika rehetra samy hazoto homana daholo, hohanim –belona hohanim –pinaritra tompoko ô ! Nandroso ny fety, nandroso ny ora, fa nihazakazaka mafy lavitra noho izany rehetra izany ny fahalianan’ny saiko hitavana izay ao am –pon’I Miavo mikasika izao fifankatiavanay izao. Niara –nandingana izahay fa tsy fantatro izay lasa aloha, efa nitovy hatry ny ela ny tadin –dokanga amin’ny ankapobeny fa ny porofony no sisa andrasako eto amin’izao ora mamy indrindra amin’ny fiainako izao. - Efa nahalala ahy hatramin’ny ela tokoa ve ianao ry Miavo sa tsatotsato – dresaka fotsiny izany ? - Tsatotsato –dresaka fotsiny ahoana ry Ndrônana a? fantatro ianao, fantatro tsara, ary raha tianao hazavaiko bebe kokoa dia hoe : ny ankizy teo an – tanàna no tena nahalala anao talohako sady nifandray be taminao dia mba noezahako koa izay hifandraisantsika. Hitako foana ianao mividy zavatra eo amin’ilay Mpivarotra akaikin’ny Biraonao io isaky ny amin’ny sivy na amin’ny folo iny e! Dia tazako mitsakotsako kely mivoaka avy eo, na mivimbimbimbin – javatra miverina any amin’ny Birao. Teo no tena nahalalako tokoa fa “tia hanina ianao”. Sady ny mahagaga ahy anie ry Ndrônana dia ny ankizy rehetra eo an –tanàna dia hainao ifandraisana avokoa na lahy na vavy, eny fa na dia hatramin’ny zaza aza. Nisangisangy teo an –tokontanin’ny Birao mihitsy no nahatsikaretako ny tena toetranao : tsotra, sariaka sady mitsikitsiky lava; Be resaka sy be vazivazy. Tsotra ianao e! Tsotra be mihitsy! - Dia izany no itiavana ahy? - Mbola misy zavatra hafa koa ka ! - Inona ohatra ? - Be dia be ! - Inona e ? - Ny fiteninao, ny fitafinao, ny fandehanao, ny fijoronao, ny toetranao…. - Dia inona koa? Izay fotsiny ve? - Ianao rehetra mihitsy e! Nangina kely aho ! niato segondra vitsy ny resaka vao nisy tohiny indray. Saika mbola tsy hiteny fa variana nisafosafo saoka sy nanapoapoaka tanana teo ambony latabatra fisakafoanana, kanjo tsy tratra fa nangina tsy satry koa ny tao amin’ny efitra rehetra ; ary sady nitsanagana no nanangan –tanana ilay namako iray be vazivazy. - Miala tsiny indrindra, tompoko, fa mbola misy fanontaniana tsy voapetraka teo ka tsy aritro raha tanana am –po. Izy moa izany no iza ry Ndrônana? Lokilokin’ny hehy ny olon –drehetra, fa I Miavo nivoaramena tsy nisy ohatra izany, izaho tera –tsemboka tao anatin’ny iray segondra; nitsiky tokana nanaron – kenatra aho dia nitsangana ho toy ny tsy taitra nitondra fanazavàna tokana. - Izy no Miavoko hitanareo eto, ary raha sitraky Ny Avo dia hofofoiko ho vadiko mandrakizay izy. Tehaka izao, horakoraka, kiakiaka tsy nifandrenesana eran’ny trano. Tsy nisy nizara fa tany amin’i Miavo avokoa ny masony . Ela ny ela, hoy ny antsoantson’izy rehetra; nitia ihany izy nony farany. - Nisongadina teo amin’ny tantaram –piainanao fa tia niaina fiainana lavitry ny rahoraho sy tsy itoeran’ny olana ianao, ka nitarika anao ho amin’ny tsy dia firaikàna firy teo amin’ny kianjan’ny fitiavana izany. Mitia ianao izao, hiaina fiainana mbola tsy nodiavina ary hanandrana tranga tsy mbola voasedra. Te – hampahatsiaro anao izahay ry Ndrônana hoe : tsara sy nahatamàna fatratra tao Edena kanefa iza no nino fa ratsy ny menaràna raha tsy efa voafitak’I Eva I Adama? - Zava –poana r’ise ny bika ary fitaka ny hatsaran –tarehy a! fa ny vehivavy matahotra an’I Jehovah no hoderaina. Ary matoa io notiaviko dia laniko tanteraka sy masaky ny foko, ka tiako tena tiako!!! Hoy aho namaly tsy rototra ny ahiahin’ny manam –panahiana. Marina fa ny efa nahita no tena manana traikefa amin’ny fiainana , ary nanombana an’I Miavo tanatina fotoana fohy ny sasany dia nanana ny heviny momba anay roa. Izaho, vahiny niakatra Ifò, ka tsy mbola nahalala ny fitaka sy ny fiantsaram –belatsihy, fa tia dia tia, ary nahatoky fitiavana. Mety ho taitra alohanao ny hafa amin’ny fiainana satria tsy maintsy ny eny ivelany no mahita taloha raha mbola eny andrefan –tanàna ny tafika , fa mikoropaka amin’izay ny ao an –trano rehefa rava ny manda fito sosona. Amin’ny lafiny iray , te – homahana aho fa ny fambara vorona aza, hono, inoana, mainka fa fambara olona; amin’ny lafiny hafa koa anefa te – hiziriziry aho fa tsy hino maty raha tsy avy mandevina. Novonoiko tao an –tsaiko ny fakam –panahy tsy hiainako iny ora mamy indrindra iny ka narodako tamin – javatra hafa ny efitry ny fiahiahiana. - Trano sy harena no lova avy amin’ny Ray , fa ny vady hendry kosa avy amin’i Jehovah, hoy aho tamin’izy rehetra sady nosafosafoiko ny volon’I Miavo. Nitehaka ny olona, dia nihomehy, dia nikakakaka ary namonjy toerana, dia niverina tamin’ny laoniny indray ny sakafo sy ny koràna isan –databatra. - Hofofoinao ho vadinao mandrakizay aho hoe ry Ndônana a? - Eny ho ‘ aho ! Fa ahoana ? Tsy mazoto angaha ianao? - Tsy hoe tsy mazoto aho fa sao dia maika loatra isika ? - Maika loatra ahoana ry Miavo a ? ka tsy izay hatao ihany ve no atao e ? - Eny e! fa na izany aza, tohatra ve tsy afaka , dia ny rindrina no hihanihana e? - Tsy azoko mihitsy ny tianao hahatongavana ! - Na dia ianao mieritreritra aza, ny toetrako tsy dia mbola fantatrao akory, ny fianakaviako tsy hainao na mifandona aminao eny an – dalana aza, ny finoako, ny fiaviako, izay tokony hifamenoana sy hifamonoana rirana. Izany rehetra izany anie no anisan’ny fepetra mampakatra ny fifankatiavana ho amin’ny sehatry ny fanambadiana e ! - Nefa amiko indray ry Miavo a, rehefa mifankatia isika dia ampy ; tsy tokony hisy resaka saranga sy fiaviana io, sady zavatra efa nilaozan’ny toetr’andro izany e! - Nilaozan’ny toetr’andro ahoana kosa ? Ny tanin’Andriana ve tian – konenana nefa ny satan’Andriana tsy harahina ? - Inona no tianao holazaina amin’izany ? - Fahendrena nentin –drazana ny mamakafaka sy mamotopototra izay ho tokantrano ry Nrônana a! - Kanefa tsy nentina hifanambaniana izany. - Fa manambany ahoana moa ? Olona tahaka anao izao ve no mendrika ho hambaniana e? - Hoy ianao ? Izany no saika naharava ny ankamaroan’ny fifankatiavan’ny tanora teto: resaka harena, tenim –pirazanana, ava–bolon–koditra , hatramin’ny fahaizana amam –pahalalana sy ny sekoly nodiavina. Hany ka tsy afaka milahatra intsony ny mahantra sy ny mpanakarena, ny finoana roa samy hafa, ny mifanohi –bolon –koditra , sy ny mitovitovy loko amin’izany. Dia aiza ny hasin’ny fifankatiavana amin’izany ? tsisy ! Tsy fahendrena nentin – drazana ny iainantsika amin’izao fotoana izao fa sao dia diso ianao ry Miavo! Ny an’ny Razantsika tsy nandala “tany avo avaratra”, tsy nankamamy “havako raha misy patsa”, ary nanameloka ny fisehosehoana amin’ny harena sy ny voninahitra, fa ny mahery tsy mba nohobiany, ary ny resy tsy mba nakorainy: “voin –kava – mahatratra” ny andavanandrom –piainany. - Lalina izany ka lalina ! hay tokoa aho moa miteny Lango imason’ny vary ? Mitafy lamba imason’ny tompony ! Laingako mantsy izany fa fofom –badinao aho e! Hifampiteraka isika raha sitraky ny Avo. ‘zany moa ô ? Niangoty tamiko izy dia namihina mafy ny tanako ary namonjy niankina tamin’ny ilan – tsandriko . tsy niteny aho fa nitsiky malefaka taminy dia namerina ny resaka nankany amin’ny sakafo. - Matavy be loatra koa izy izany ka mahamonaminaina ! sa tianao ihany ? - Izaho aloha tia matavy e, sady tia mihina –menaka fa ny mahagaga ahy ny tsy mba itiavako kisoa. - Mba ahoana koa izany ry Miavo ? Ohatry ny hoe : “tia hira ianao fa mankahala feo voalohany” Samy lokilokin’ny hehy izahay roa, izay i Miavo vao nikapoka mafy ny hatoko sady nananihany ahy be indrindra . be vazivazy izy fa anatina fotoana fohy sady ampahatsiahiviny koa angamba fa fety no anotronany ahy. Nihitatra kely nankany amin’ny hira sy ny dihy ny fetinay , dia tapitra tanteraka iny andro iray toa zato iny. Niverina naka ny fiara izahay dia nanatitra an’I Miavo teny Masikara indray , izay vao niverina irery tany an –trano iny alina iny. Fety tokoa ka fety, ary sarotra ny inoana ny mbola hitapodian’ny ora mamy tahaka iny, noho izy tsy mana –paharoa loatra. I Miavo aza, izay sady vavy tokana no taizan –dRenibe, dia nahavita nilÒn’alina niaraka taminay sy nianoka ny tsiron’ny fifankatiavana vao miandoha. Tamin’ny valo aho vao tafafoha ny marainan’iny , ary tamin’ny sivy sy sasany vao tafiditra ny Biraoko. Namonjy asako aho dia niverina tamin’ny andavan’andro mahazatra indray, niaina ny fiainana rotoroto lava tsy misy hakàna aina. - Soa ihany ise fa tonga, noheveriko mbola tsy ho tafakatra mihitsy androany hoy ny Lehibeko, tamiko. - Fa ahoana no tsy hiakatra sefo a ? Hanary kapoaka ? - Ka fantatro anie ise fa mbola reraky ny fety e! tsy nanome tsiny mihitsy aho raha tsy tonga ise . - Misaotra e ! ka misy itadiavanao ahy angaha ? - Tena mitady an’ise mihitsy aho izao , misy taratasim – bolantsika halaina dia mba soniavin’ise ary mba hakàna kely vola any amin’ny Banky fa hanamboatra ny karaman’ny Mpiasa isika manomboka rahampitso. - Sady misy mpiasa sasantsasany misondrotra karama amin’ity volana ity. - Ka izay mihitsy no andaminana azy dieny izao. Dia sao dia gaga ise rehefa manasonia ilay taratasim –bola , fa tsy nisy entana naterintsika akory. - Kanefa dia hahazo vola ve isika sefo ? - Mahazo isika fa aza matahotra ise, vola efa tafavoaka anie izany e! alaina any amin’ny Banky fotsiny sisa ? - Ka sao dia mba zavatra mampigadra izany sefo a ! vidiny tsy nandoavana entana anie izany e ! Inona àry no mahataitra an’ise ? Izany no atao hoe afera. - Ka sao hanimba ny asantsika izany afera maloto izany ? - Fa ahoana ? - Ka raha fantatry ny lehibeny kosa ve tsy hiara – votsitra na ny tsenantsika na ny asany ? - Fa ise ve mbola manofy fety e ! tompon’andraikitra ambony ao amin’ny orinasa anie izany miara –manao afera amintsika izany e! Omena azy fotsiny ny ampahany dia antsika ny sisa. - Izany hoe : Kopaka isasahana ? - Mazava ho azy ! Betsaka ihany no mbola manaporofo ny maha – tany mahantra antsika, indrindra fa eo amin’ny asa aman –draharaha sy ny tontolo ankapobeny. Tsy ny halahatra ahatratrarana ihany anie no fahotana mahafaty fa na ny halatra miafina aza e! Rehefa mangalatra ianao dia meloka, na eo anatrehan’ny angalarana, na eo anatrehan’Andriamanitra. Matoa tsy mety foana ny tsolotra sy risoriso, ny tia kely etsy sy eroa, dia satria misy hatrany ny lemilemin –dRadita, misy olona tamà – miray tsy mifanary amin’ny ratsy, ary misy sokajina Mpanakarena zatra mivelona sy mihary harena: na amin’ny hosoka sy ny fanambakana, na amin’ny fitaingenam –bozona ny hafa. Ankoatr’ireo ampaham –bahiny tsy mataho –tody manao tsinotsinona zon’ny Teratany , dia misy dia misy tokoa Malagasy manao fitaovana ny Malagasy ohatra azy. Nohararaotina tamin’ny tsy fananana asa ny ankamaroan’ny olona fantatro, ka nampidirina tamin’ny karama kely; jembin’ny didin’ny famelomana ka tsy mitandro aina hahitam –bola, ary atosiky ny adidy sy fitolomana ka manao varo –mora ny rara – dinitra . Nampiasaina ireo, nodidiana sy nomena baiko isan’andro, tsy nampahafantarina andro fety fa rombahina hatramin’ny fitsaharany, satria tsy afa – midrikina noho ny fahantrana sy ny tsy fananana. Notambatambazina hotamàna izahay tamin’ny voalohany, nomena kely, nosangisangiana sy novangivangiana matetitetika; niresahana sy nalàna andro, taoriana, rehefa nandroso ny asa ka hita fa niroborobo dia niha – niavonavona ny fon’ny Mpampiasa: tsy miresaka ela intsony, nanjary tsy nahalala teny ierana fa didiko fe –lehibe. Taorian’ny fiovaovan’ny ora fidirana sy firavana dia niova tanteraka ny tontolo niainana : nolazaina aloha fa nanomboka resy tosika teo amin’ny fifaneraseràna sy fandraisana olona izahay, nitarina indray avy eo fa nihena ny fidiram –bola tao anatin’ny iray volana, ary niafara tamin’ny fanambarana fa matiantoka ny Orinasa. Voaloa isam –bolana ihany ny karama, fa naloa an –kafetsena, na am –panambakàna angaha no tena marina e ! Isaky ny hifarana ny volana dia nanangànana ady foana ny mpiasa rehetra ary tsy nitsahatra intsony fa raha tsy nolazaina fa nisy zavatra simba tao dia nobantiana mihitsy ho nisy zavatra very; ary ireny rehetra ireny , na tapa –panjaitra iray aza dia tsy nisy afa – maina fa samy nandoavam –bola avokoa, ary ny tsy levon’ny vavoniko mandrakizao dia ilay toe – javatra iray niaraha – nahita sy niaraha – nanaiky , nefa dia nodiana tsy hita ohatry ny tonom –bomanga vory vahoaka. Hividy zavatra no nidirana mpivady tao amin’ny Biraonay, dia nanotanitany sy nanadihady zavatra betsaka, ary avy eo dia nasainy navoaka ilay fanamafisam – peo kely fa hoe hovidiany, kanjo izahay samy variana, zavatra hafa no voafaoka’ireny olona ireny, afaka adiny iray taty aoriana vao samy tonga saina izahay fa very taorian’ny fandalovan’ireo ny karatrantsoanatariby maro valonany iray, efa mahatratra any amin’ny efapolo isa any hoa any. Nitarainana ny zavatra tahaka izany, fa tsisy indra – fo, tsisy ady varotra fa ny vola no haloa. - Nisy olona nanadalo tao amin’ny Birao hoe hividy zavatra , tompoko, dia ny zavatra hafa hay no nofahony ary lasany any fa tsy ilay zavatra saika novidiany. - Ohatrinona ny totalin’ny very ? - Enina alina ariary , tompoko ! - Dia mizara telo izany ! samy banga roa alina isan’ olona ny karamanareo amin’ny faran’ny volana . - Ka tsy fidiny ho anay anie ilay izy fa samy sendra ny tsy nahy daholo e! - Ka tsy te – halala izany aho fa vola feno no fantatro e ! Raha banga angaha ny karamanareo amin’ny faran’ny volana , hanaiky ianareo na dia ariary aza, kanefa ny volako no tadiavinareo ho vitavita fotsiny amin’izao ! Andraikitrareo izany, ary tsy misy idirako mihitsy ! mandehana miverina dia ataovy ny asa fa mbola amin’ny faran’ny volana vao hifankahita amin’izany, ankoatra ny hafa izay mbola hanampy azy. Rehefa tena nandinika aho ka namadibadika ny lalana rehetra nitondràna anay, dia efa aty aoriana ela be aty vao tsapako fa hay nogadraina nohambakaina izahay nandritra ny iray taona sy tapany. Zavatra tsy ara – drariny avokoa no nanerena anay. Taiza tamin’ny fiainana no mbola nisy MALAGASY tsy nahalala ny fahendrena nentim –paharazana hoe “miloloha lanitra tsy maintsy lena, ary ny mandia tany tsy maintsy solafaka “. Iza no no tsy nahalala izany ? Fa ny tena marina dia nitsambiki – nikimpy mihitsy ny sefonay, fa hamaboana ny herim –po sy ny hatsembohanay amin’ny vidiny mora sy tsy hitan’ny harenany akory. Tombanana ho lafo eo am –pidirana ny karama, fa lahona ianao vao mahazo ny an
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/salamanga
Salamanga
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
« Ataonay ahoana moa no hangina manoloana izao ftiavan –dehibe nasehonao ny Literatiora malagasy izao ? – Mba tsy vitanay kosa ! Sitraka ! telina ! maminay tanteraka izao fanotronana sy fampiantranoanao ny SALAMANGA izao . Maniry ihany koa izahay raha maniry, ny mba hiarahanao manjohy hatrany ny soratra sy ny kanto malagasy izay asandratry ny Poeta sy ny FARIBOLANA SANDRATRA ho eo ambany masonao mandrakariva. Misaotra tompoko ! INDRAIM – BAVA mialohan’ny « SALAMANGA » Ny iray avy any BERONONO- Anjozorobe, dia RAMBOLAMANANA Fenosoa Jean Chrysostophe na SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA, ary ny iray avy any FIANARANTSOA dia RAZAFINDRANDAMBO Tovonjanahary na ny andy. Samy efa monina eto Antananarivo izy ireo. Izy roalahy ireo no Poeta hanolotra ny sangan’asany ho anareo ao anatin’ ity « SALAMANGA » ity. Mamelà ahy ianareo raha tsy hanazava ity lohateny ity aho aloha, fa antenaiko ho takatrareo tsikelikely ny dikany rehefa mandinika ny tononkalo rehetra ato ianareo. Azo lazaina fa ny lafim –piainana rehetra no kaloin’izy roalahy. Ny voam –bolana sy ny sarin –teny anehoany azy dia samy manana ny azy izy ireo, fa angamba ny gadona mety misy itovizana ihany. Hianoka ity « SALAMANGA » ity ianareo, ary hiaiky fa tsy ho lany hamamiana velively ny TENY MALAGASY. Tsy ho fitahirizana ny lanja sy ny hasin’ny teny koa ve no tena asan’ny Poezia voalohany ? Mikolokolo an’izany ny talentan’i SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA sy ny andy. Sady ho fifaliantsika sy reharehantsika izany. Fisaorana mitafotafo no atolotra azy ireo, ary indrindra ho anao izay manatevina ny Haisoratra malagasy ihany koa eo am –pandinihana ny tononkalon’izy mirahalahy. SOLOFO José FANOROAM – PEJY I – SORA – PIAINANA 2-FA FADIRANOVANA (ny andy) 4-TAZANO (ny andy) 6-VERO… (ny andy) II – LOKOM – PITIA 9-FI-ANATSA (ny andy) 11-FITIA VEHIVAVY (ny andy) 13-KENDAROROKA (ny andy) 15-MILOKO TSY FITIA (ny andy) 17-FAHATSIAROVANA (ny andy) 19-VIAVIKO III – TOPIN’ENDRIKA 21-MOFOAKONDRO 23-ANKAFIZO (ny andy) 25-LAINGA MARINA (ny andy) 27-EKEO (ny andy) 29-VAVAKA HO AN’NY NATIORA (ny andy) 30SALAMANGA ( ny andy & SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA) SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA, araka ny fahafantarako azy Olom –boataiza tamin’ny fiainana Kristianina izy, ary mpandala ny MAHA – MALAGASY, indrindra fa eo amin’ny fahendrena sy ny FIHAVANANA ; tena mahasaro –piaro azy mihoatra noho ny olon –tiany ireo. Olon’ny fo tokoa izy, sady olon’ny saina rahateo, ary raha ny sangan’asany no asian- teny sy atao indray mibango dia teny hafatrafatra sy feno anatranatra mandrakariva, ka mazàna manaitra ny sain’ny maro, mba hamoha indray ilay fahendrena nananan’ny MALAGASY FAHINY ; raha tsy hilaza afa –tsy sombintsombiny ihany aho, toy ny hoe : « TENY FAHENDRENA », « MANDRIANA », « HAFATRA TSOTRA », « AVY AIZA ? », « …hizaka adidy ianao Sakaiza, fa miandry anao ny Zanak’Olona …», « Ny antony tena nahafaty an’i Neny ?- NY DITRAN’ISE ! », ary famerimberiny matetika aminay sy tsy mba fanadinony raha manotrona fampakaram – bady, ny hafatrafany mafonja hoe : « NY ZANAK’OLONA E ! TANDREMO !!! ». Tononkalom –pitolomana sy sehatry ny andavan’andro iainana no tena nahafantarako azy, na dia maro amin’ireo tononkalony mamakivaky fitiavana aza no efa saika laniko tsianjery ; ka ahasahiako milaza fa mendri –piderana sy fankasitrahana izany talenta ananany izany. Mailaka ery aho mifanerasera aminy amin’ny mailany : sarondrahona13@caramail.com Mampahatsiahy ahy ny Olomangan’i Madagasikara iray , sady nanaitra ny saiko ny fitiavan –tanindrazana nasehony, raha vao 23 taona monja izy dia sahy nandray ny adidiny ka nilatsaka hofidiana ho BEN’NY TANANA : taona 2003 tamin’izay !- Adidy mavesatra izany , kanefa tsy nampihen- danja ny hetahetan’ny fampandrosoana ananany akory ny maha –MPANOLOTSAIN’NY TANANA AZY ao amin’ny Kaominina Ambanivohitr’i BERONONO- Fivondronan’Anjozorobe, ankehitriny. Toa tsaroako eto ilay tenim –pahendrena napetraky ny Olo –malaza hoe : « Tsy miamboho adidy aho, mon Général ! ». Toloram –pankasitrahana ireo naha –hazo vanon-ko lakana azy, na ny Rainy Célestin RAMBOLAMANANA, izay BEN’NY TANANA LEFITRA ao BERONONO amin’izao fotoana, na ny Reniny Mariette RAMINOARISOA , izay samy mbola velon’aina avokoa., ka otronin’izy sivy mianadahy naterany. Farany, Ilay nahary izao rehetra izao anie hitsinjo ny Poeta sy ny asany, ka hitoetra ho Poeta Mpanakanto hatrany izy, hitombo amin’ny fanabeazana, fa tsy ho mpitari –bato vilam –bava. Anterina ny fisaorana mitafotafo ho an’ilay Nahary , nandrindra sy nandavorary izao fotoana mamy izao. Mankasitraka anao Mpankafy, Mpijinja sy Mpioty ny vokatray Poeta Ny Zoky malalan’i Zandry tsy foiny : R.JO ny andy ny andy ? Olona mpandala ny maha – malagasy ihany koa izy, ary mpankafy zavakanto : azo ambara fa io no voaloham –pitiavany. Olom –boataiza tamin’ny fiainana Kristianina ihany koa anefa izy. Tany FIANARANTSOA tany,hono, izy no nisy fanahy nibitsika raha vao 14 taona monja ka nahatonga azy hanoratra sy hilomano tao anatin’ny soratra. R T V N no solon’anarana nentiny tamin’izany, izay fanafohezana ny anarany ihany. Niova ho « ny andy » anefa izy io tato aoriana rehefa nitombo hadiry tao am –pony ny fitiavana sy fitrandrahana ny kanto malagasy. Tsy ny soratra ihany no iangalian’i ny andy fa sady Mpamoron –kira izy no mpanao hosodoko ihany koa, ka ilay solon’anarana RTVN no nomeny ho an’ny sary. Mety ho hitanareo eny ananonanona eny ny sangan’asany. Eto am –pamaranana no anambarako aminareo fa mbola mpitovo izy, ary sady efa miasa no mbola mianatra ihany koa amin’izao fotoana izao. Tena farany ! Fiventin’i ny andy ny hoe : « ny andy » na « R.T.V.N », dia ilay solon’anarana voizin’ny penina . Ilay Akama toa kambana amin’i ny andy Mahasoava rahalahy. LASITRA Isika mitovy fa toa tsy sahala : Niara – nitafa tanaty koràna ! Niara – nitavan riana sysangy ! Nandritra ny fiainana teto an –tanàna. Raha fihavanana ? – Niara – nandala : Nivoaka sy niditra teo an –tokonana !!! Ianao moa voaroaka, Izaho tafajanona… Ny iraisantsika dia zavatra tokana : Samy kamboty mitrongy vao homana ! Samy manembona tsy afa –mamangy ! Isika dia tena mitovy tanteraka : Samy tsy misy hatoriana maraina Fa miarin –tsy fidiny, hamonjy kapoaka ; Kanefa in –jato sy arivo hambakaina ; Miaina amin’ny sitrany ahay, toa tsy reraka ! Sedrain’ny fiainana anatin’ny ady… Ianao miaritra any, Ny eto zakaiko. Iray izao ny lasitra anaovana antsika : Samy madinika mbola mitady, Manangona vary… mitsimpona laoka !!! An –dalana isika no sendra nihaona, Dia nihemotra tany amin’ny taloha foana ‘Zay mba resatsika ; saika hadino ny mandra –pihaona… 27 Novambra 2003/ t@ 5ora 55mn maraina II S 38 Anjanahary – ANTANANARIVO FA FADIRANOVANA Miondrika mora ny hariva mangitsy Ny ainy badenin’ny tontolo andro Misento tsy satry Ity vatana ngoly sy tena manify Miafy ny anjara mangidy famango, Mahantra izy mantsy ! Mahantra ivelany Dia,indrindra ao anaty Fa aza tsy fidiny ny toerana misy ! Fa aza nahilika ny zo keliny Ontsa ny fony kamboty fitsiky fa lasan’ny ngeza ny anjara tanteliny Onena ny jery Ongaina irery ! Fa manonja maina ny fiainana an –tany Manonga taraina ny efa tomany Mandrotika mora ny ati – fanahiny Vaka hazavana fa maizina ny andro Dia ny masoandro ?! Indray andro any hiposaka ihany Ho foana taraina ny fahantrany. ny andy SALAMANGA Manainga vetsovetso, Misoratra fiainana, Miloko tsy hita isa ; Tolilam –pitarainana Sy tsiky very fonoka Ho eto,… feno sento : Moroa safononoka ! Fa aina iray manento Milaza sora – dihin’ Ny zava –misy anaty ; Nahy ! SALAMANGA mantsy, Ho anao Mpankafy : Tia ainga malagasy. Ary hevitra Poeta, Poeta firifiry… Nofoiny ambony ampanga ? Ho anao marisarisan’ Izao tontolo izao, Lazoin’ny farasisa… Nakàna anao avy ao Ny singan –tsalamanga, Ho any am –paradisa… Tofoky ny fiainana ? Hihemotra amin’ny tolona ? Resin –jangajanga ?! Maraina, atoandro, hariva : Aza hadinoina : Rakofy i SALAMANGA !!! ZAZA RATSY TAIZA Diso ihany ianao Nandroboka ny ankizy HilÒna anaty harena ; Natao tsy ho orim –bola, Navela hiala nenina Amin’izay rehetra tiany : Navela ho afa –po . Kinanjo izao no farany : Ny harenanao miha –ritra, Ireo izay tonga taona Tsy misy fahendrena, Fa tampony amin’ny ditra ! Vao zaza folo taona Dia tsisy fanajana Fa mamotsifotsy olona : Zatra nihanta loatra Sy zatra fahafahana ; Zatra tsy voageja, Nanjary baranahiny ! Ianao no maty kora, Fa diso taiza loatra Sy nihafy tsora –kazo Ka lasa fotsy rora ! ‘zao ny zanakao, Malaza hatraiza, hatraiza Fa « ZAZA RATSY TAIZA ! » 08 Jona 2003 /t@ 3ora 07’ hariva – Ambatomainty Antananarivo TAZANO Masiaka ianao ry tany, Masiaka fararano ; Eny an’hebakeban’onja Onjan –dohataona, Miketoka mafonja Ny fo manganohano Mahita ireto ankizy Tsy manan –tsiny loatra Misedra an –katerena Ny sompatrao fiainana Masiaka, tsy onena… Dia vatranao tokoa Ny tsy misento izany an !? Masiaka ianao ry tany Misoko ny ririnina Any an –katoka tsy hita, Mandona ireo mahantra. Indrisy… dia nahavita Nandoko tsy nambinina Ny ory sy efa vaka Ho takon –tara –bolana Ao an-kaizin’ny masoandro Dia mampitonatonana Ny nofinofy maminy Eny an –tanim – pamoizana Madilo ! Mangidy loatra izany. Masiaka ianao ry tany Fa …meteza iray minitra Hiaina an –tapitrisa Ny ampitso efa vita Hiainany androany. ny andy 9 Desambra 2002 /t@ 6ora 02mn hariva VAVAKA HO AN’NY NATIORA Ry Andriamanitra Fitiavana, Tsinjovinao ity Nosinay Aza avelanao ho ngazana Na ho kila sy ho may Ry Andriamanitra Fitiavana, Tahionao ity Firenena Omeo hery sy finiavana Hikajy azy tsy ho mena Ry Andriamanitra Fitiavana, Henoinao ny feo miantso Miantsa ho an’ny Tanindrazana Mamerina ny anara –maintso Ry Andriamanitra Fitiavana, Ianao no Ray Tsitoha Ianao no tsy tambazana Fa miahy an –tsitrapo Koa enga anie… Ireo voaary analin –kisa Napetrakao hivelona eto Hiaina an –tany paradisa Ho lavitry ny sentosento. ny andy LANIN ’ NY KARY RATSIMANDRAVA ! Maty dia maty !!! Kanefa ny valin’ireo fitakiana natao hatrizao, Tsy misy mazava ! Dia mahavariana… Mba hoe nokarohina, izay olon –dratsy Sy nahavanon –doza ; Ka inona no eo ? Araho ny tantara, Fa nisy ny hoe : « Fomba fiady nalamina tsara », fa tsy hita ny vokany. Toa ireo « SAMY ISIKA » Sy « TSINDRANOLAHY » No indray nasahotany. Ireo fitondrana nifandimby teto, Isao hoe : Firy ? Dia iza no tena nitolona mafy Sy tena nikiry ? Fa hatramin’izao, Tsy mbola hita maso Izay tena ati –doha Nikotrika tao. Manahy aho ry zandry, Ary azoko an –tsary ; Raha tany aminay izao No nisy ohatr’izany a ! Dia hoy indray ny sasany : « Ny akolahy tsy naneno hatrizay Efa lanin’ny KARY e ! » 11 Febroary 2004/ t@ 11ora 32mn atoandro tao amin’ny BIRAON’NY KAOMININA BERONONO ALEO HIHARIHARY Iza amintsika no tokony hisaina ? Fa ho avy ny ankizy rahampitso maraina Hitsara an’izao ; Haveriko samy ho reny daholo Ny karazandrazam –pahotana mahafaty Tsy zakako tao : « Tsy azo dohirina ianao, tsy terena, Tsy azo kianina »; Nefa efa rain’ny fametsifetsena Tsy laintran’ny mafy ! Aleo hiharihary amin’ny Olon –drehetra Fa « IANAO TSY MILAMINA E ! » Tsy manan –tahotra, tsisy hamenarana ; Hoatran’ny olona tsisy fanahy Sy tsy mba mitafy. Izaho tsy te –hihevitra zavatra lalina : Ianao marary raha very an’arivo, Fa maka aman’alina ; Sahy misoloky ! Ny olona handroso na iza, na iza Dia omenao toky, Hatsaratsaraina ! Terena hiasa amin’ny ora rehetra… Hiasa Alahady ! Kanefa in –jato sy arivo hambakaina ! « Halatra anie izany ataonao izany e ! » Anatra mba tsy misorona ny ahy Fa isika tsy miady ! Tokony hiova e ! Saino ny zavatra nataonao Fa ohatry ny vitan’ny maty fanahy !!! 17 Febroary 2004/t@ 6ora 41mn hariva II O 82 Anjanahary – ANTANANARIVO VERO Mifofo, nijinja iry fela – maraina Ny rivo –mahery mpanditsoka lalina Mandrangotra anaty ilay fo noratraina Ny sompatra kanto mpanosika hivarina Nandrotika mora ireo zana –borona Ny onjan –tadion’ny rivotr’ankaso Nandrakotra ngidy ilay fo mangatsiaka Mainka ho potraka, tsy ho tamàna Dia ketraka ve ?…tsy very kanefa Fa misy fetra ny zava –drehetra Kodiaran –tsarety ny fiainana an –tany F’ilay Andriamanitra efa nandahatra Mbola hitsiky ny fo mitomany Ny ora –mikija mbola hitsahatra Fa… ny fanantenana mitsilopilopy Dia hiredareda , hanony indray Hanome loko ilay fo saika fotsy Ilay saika lasan’ny mandrakizay Dia mitrakà, manàna finoana F’izay mora kivy no ho rendrika foana ny andy 12 Mey 2002/ t@10ora 40mn alina EKEO Meteza leitsy ialahy Meteza ialahy manaiky Fa ny tanintsika anie Mangotraka fanahy Mahantra fahafahana Ekeo leitsy ho’aho Fa mila fanovàna Ny saina feno jay Toa fositra hatrizay Manimba ny tanàna …manaiky ve ialahy ? manaiky ?!!! Ekeo fa ny fanahy, No ampinga mampandroso Mitondra fahafahana ! Ekeo fa ny vazaha Fitaovana sy…loko Mpanasoa tanàna Fa tsy natao hibaiko. Ekeo fa tsy sanàna Izay mila fanovàna Ka ilaina ny farimbona Miraisa ! aoka ho sahy Meteza leitsy ialahy Meteza ho MALAGASY Manaiky fandrosoana ny andy LANJAIKO (Ho setrin’ny Tononkalon’i MM nosoratany ho ahy hoe : « NIKELEZANA AINA ») Raha ny tena izy, dia mbola miatrika aho ; Tsy maintsy manoloana ny zo sy adidy maro Ho an’ireo taranako , Ny fitolomako aza tsy takatry ny saiko, Fa saika isan –taona Dia tsapako amin’ny dinitra Sy ren’ny havizanako ! « Tia mitolona aho, Sa tsy mety ho tody Amin’ny tanjona tratrariko : Dia reraka ny aiko !!! » Antitry ny tolona mivaloharika aho, Fa miaina anaty kiry, Mba hamela mamy hahafa –po ny zanako ! Kanefa hatramin’izao, Tsy tena mbola haiko hoe : « firy koa ka firy Ny adidy miandry ahy Sy andrasan’ny Tanànako !? » Ka aleo hitolona aho, Na volo, na fotoana , manomboka ho fotsy Fa adidy mba efaiko ! 26 Septambra 2003/t@ 5ora 30mn hariva BERONONO – ANJOZOROBE POROFO ( Ho setrin’ny Tononkalo nosoratan’i Dadan’i FI ho ahy hoe : « DOSSIER BERONONO » ) Matimatiny ihany ise raha nisaina vetivety Hoe : « Ilay Poeta iny, Asavaonan –drehareha hiedinedina an –gazety, Ka hibahana Onjam –peo Eo am –pitsenàna ny alina, Ny hodokafana no tiany ! » Fa jereo ny fifaliany : « Matimatiny amin’ny taniny Tsy mba misy Mpanazava ! Namakivaky ny aty ala Hoe mitabataba lava ! Tsy aman –defona, tsy basy ; Namaky lohasaha sy havoana. Tena sahy mitolona izy Niho –potaka aman –jofo : Nefa dia Poeta foana ! » Nino haika angamba ise fa nolemana ho larony, Hay ka ilay Poeta mihitsy No nanentina tantely tamin’ny tany be ronono ? Efa tapa –bolana izy tsy nitsahatra nandeha : Lany tany kirarony !!! 03 martsa 2004/t@ 2ora 15mn tolakandro Biraon’ny Fokontany ANTOHOMADINIKA AFOVOANY NY DITRAN’ISE Tsy hoe fandatsana ry Zandry malala, Fa fo efa vato raha toa tsy hongaina, Na koa tsy hiteny ! Fa miherina sahady ny taona mangidy Nandaozan’i neny : Ny andro nahalasana ; I Neny Olon –tsotra sy mba nantenaina No rembin’ny fasana, lasa nandeha, Fa nihinjitra an –dalana, Folaka an –daton’ny ditran’ise ! Ise any am –ponja, i Neny mitsotra ; Dia resaka ditra tsy tana hoatr’ireny No niova ho ratra nahafaty an’i Neny : Ise notenenina, tsy azo raràna ! Ise mba natoro, tsy nety voatana ! Dia izao no iafaràny, Nahafotsy rora ny olona ise vao nahadika lalàna ; Efa kamboty vao mahatsapa onja Ka ataovy anatra, Aoka ho afo nandoro an’ise ny any am –ponja !!! Tsarovy ny hoe : Ny antony tena nahafaty an’i Neny ? NY DITRAN’ISE !!! 24 mey 2003 /t@ 8ora 30mn alina SAF –TSINJO – Anjanahary ANTANANARIVO LAINGA MARINA Ny marina lazaiko Dia lainga tsara rindra Ainga mikoriana Ao anaty faniriana Mandainga fahamarinana ! Satria nahoana indrindra ? Narafitro ny marina Hivetso lainga masina Eny an –tsahan’ny fanahy Hioty teny maro Hampita hevi –dalina Sy fy mifangaro Ao am –pon’ny mahatsiaro Fa mankafy ny kanto Sy tia ny tena marina Voalaza an –daingalainga Dia ny tena ainga Ilay milaza zava –misy Ao anatin’ny tsy misy Nefa mety hisy Any am –pon’ny tena tia Sy an – tsain’ny Mpankafy Ny zavakanto amin’ny teny Ireny soratra ireny : Milaza lainga marina ny andy MARARY VAVONY Fa mamy tsy foy hoatra an’iza Sakaiza Ny tena mba tsiron’ny Seza hoatr’itony ? Dia hitondra ho aiza ? Vao anankiroa izao no nazera teo, Dia mihoko amin’ny fatana sy ny vilany : Vaky barara, MARARY VAVONY, Tsy tia tsaramaso ! Kanefa any an –ketsa manjary salama, Tsy dininy akory ny andraso…andraso Fa mambosibosika , homana ihany !!! Mba hafa ny fihevitry ny olona sasany, Fa ny hitondra bontolo eo foana No fara –tampon’ny zavatra andrasany, Nefa efa teo… Tsisy n’inon’inona niangana akory Fa andraso…andraso mandritry ny taona . Ny olona entiny ery efa leo, Izy avy mihinana ety, dia matory !!! Afa –baraka ! Fa ny Olomboafidy sy BEN’NY TANANA No nahorongorony anaty fonosana, Saika hofafàny ! Noheveriny angamba ity olona ity Fa gadragadraina tsy misy lalàna !? Afaka ireo, fa ny vavam –bahoaka ? Tsy mety mangina, tsy mety voarara : Ny hanoso –potaka any aminy ihany ! 9 Febroary 2004/t@ 9ora 57mn maraina BERONONO –Ambatomanoina - ANJOZOROBE (107) FI – ANATSA Etsy kely ange ! Ampianaro aho sakaiza Ampianaro sangisangy Ampianaro tsy mandainga Ampianaro senton’ainga Miangola vangivangy Eny e ! Ampianaro aho ho’aho Ampianaro malahelo Mampifaly tsotra izao Ampianaro mitalaho Hankafy ny tena vero Azon’ise ? Ampianaro aho hitia Fa hampianariko ianao, Hampianariko an’izao… Ilay isika mankafy Hifampianatra doria Dia… ampianaro aho rahavana Ampianaro mahatoky Tsy hanao fitia boloky Fa… hampinariko ianao Hampianariko fitiavana Fa ampianaro aho . ny andy 05 Mey 2002/ t@ 9ora 06mn alina MIVAONA Misy ny fotoana azo amindràna fo Fa tsy androany kosa ! Ianao tsy mahatsikaritra, Fa ny olona rehetra no lasa alaim –panahy Manondrotondro molotra sy tapitra mifosa Mahita anao sy izy… Iny zazavao amin’io fitiavana io, Ianao koa manadino fa efatra ny ankizy ! Karazan –takoritsika hatramin’ny fara –hehy No mitazana anareo mameno ny arabe : Aleokoleoko ihany… Fa ny vadinao ? Fara – fahoriana mandinika an’izany ! Izy anie tsy mihevitra izay ho aviny any intsony e ! Ianao no manam –bola , dia ianao no amikirany ; Ianao no maivan –doha Dia mety harirarirany hanosy tokantrano ; Izao tsy tana intsony fa mihitatra ny afo ! Miakatra ny rano ! Angamba raha vao dila indray mahamasa –bary, Dia ho tafo lanitra io, fa kila koa ny tafo ! Hatramin’ny vovonana no indray mivaralila Sy miha –tsizarizary . Mba hafahafa mihitsy itony isika itony Rehefa tena hivaona, Fa dia lehilahy lehibe sy hoatra anao izao No sahy mandafidafika amin- jaza tsy ampy taona !? Tsy matinao ny sary, Fa samy manameloka izao ditranao izao, Hatrany Andravoahangy, ka hatreny Anjanahary. 19 Febroary 2004/ t@ 6ora 23mn maraina ANTANAMBAO – Antsinanan’i TALATA VOLONONDRY ANKAFIZO Mba fakafakao Sy halalindalino Ary koa saintsaino Dia vahavahao Sy vimbivimbino Dia matimateso …ka renireneso Ny zava – tinakin’ Ny tadiavinao Fa… Hadihadio Sy tsindritsindrio Ary tsongotsongoy Dia aza manaiky Ho lambolamboan’ Ny hevi –tsy azo Fa fakafakao Avy eo tsikerao Dia… Ho hitanao fy Ny mianoka an –tsaina Anaty fo tia Ny sary tononkalo ny andy NY ZANAKO Tsy maintsy ajorontsika ny maha – MALAGASY Na ilam –pototra aza no lavaky ny angady Atsatoka androany ! Tsy maintsy ajorontsika ny maha – MALAGASY Na tolona, na ady hahamena lamba No teboka hiafaràny ! Tsy maintsy haverina eto ny GASY NIANDOHANA ? Naha MALAGASY HENDRY, ny Ntaolo razantsika Odiantsika jamba ! Fa aiza ve r’ise, ka dia ny ho Zanako avy No hiraparapa ao anatin’ny aizim –pito Hihambo fa TSY GASY !? Dia hamantana inona ny aina hifampitohy Raha tsy atsatotsika ho andry hiankinany eto Ny manda sy ny lasy ? Ka ny teny hosoratako : tsy maintsy teny malagasy ! Ary ny hira hohiraiko : dia ny HIRAKANTO MALAGASY Ny hafatra ho an’ny Sombinaoko, dia ataoko an –taratasy Fa n’iza n’iza hipoitra avy amiko, Dia tsy TSY MAINTSY MALAGASY HITOETRA HO MALAGASY Izay vao misy Firenena tena mahaleo tena ! Ka raha ny aiko anio no mangana, Mbola hisy roa hitsangana hanofahofa fandresena, Mbola hisy telo hiangana, eny, telo hatramin’ny fito ! Mbola hisy Firenena hirehareha ho MALAGASY Amin’ny andron’ny taranako, Hamakivaky aizim –pito : Dia NY ZANAKO ! NY ZANAKO !!! 10 Novambra 2001/t@ 8ora 18mn alina Ambatokaranana – Ampasampito – ANTANANARIVO FITIA VEHIVAVY Hafahafa sakaiza ny tia vehivavy Tsy mba fitafy na toerana, fa aiza Dia olona vatana hitanao izao Lazaiko aminao, Fa hafahafa sakaiza ny tia vehivavy Mampanavinavy Tsy saribakoly mandeha vatoaratra Na takamoa miloko tsy fantatra Fa endrika zavatra misy fanahy Rakofan’ny lokom –panairana maro Dia fantampantaro Fa hafa sakaiza ny tia vehivavy Fitiavana maro no he fa mitambatra Tonga mamorona zavatra tokana Dia tia,hono, ianao ! Fa inona loatra no dia tiavina ao e ? Ny endriny kanto sa… Ny volony mitosaka mihofahofa Sa ny bika tsy ratsy izay mitahiry Ilay loharano tsy tokony ahofa ? Sa koa ny aty fanahy mahay miangola Manary ny maso lalaovin’ny vola ? Hafahafa sakaiza Fa olona maro no indro mipetraka Mampifotetaka …fa ny vehivavy ? Vatana aloha , miampy fanahy Rehefa avy eo fonosin’ny kanto , rongonin’ny maso Ary laroin’ny fihetsika sahy Mampifangaro ny biby sy ny olona Toa hafahafa Fa tian’ny lehilahy ny mitolotolona Sy misakambina azy ireny Dia hoy aho hoe Tandremo sakaiza Mahaiza mijery ny tena vehivavy Tsy ho voan’ny tazo Fa sarotra anie ny mitia vehivavy e ! Sao ho sodokan’ny endrika ivelany Sy ny fisosan’ny ngotin’ny lelany Ka rendrika eo ! Mba jerijereo Ny ati –fanahy, mibaiko ivelany Ny tena vehivavy Fa aza miaina fitia hafahafa Ao an –trano falafa. ny andy 30 Novambra 2002/ t@ 1ora 39mn tolakandro HAFATRA TSOTRA Anjaran’ise ny mametraka hoe : Tokony hiroso sa tokony hihemotra ny aminareo ; Ise no hisafidy ! Fa n’iza hisakana, n’iza hidrikina, Dia mbola an’ ise ihany ny teny farany ; Ise no hiaka –peo ! Hitako tamin’ny fiarahantsika Fa ise tsy mahavita, Raha sady mikimpy no ‘ndeha hitsambikina ; Ary io tsy voarara , na iza handidy Na iza hibedy ; Fa ho tafaray sy hiroso ianareo Raha ise no anjarany. Anjaran’ise ny mitsako ny hoe : Ahoana sy ahoana ny fikasakasan’ny Fianakaviana , Rariny ve ? Kanefa tsarovy , fa ny Tokantrano Ilàna ny tenin’ny Ray aman – dReny, Ilam-pirariana ! Tsarovy foana, na aiza na ho aiza izao teniko izao : « Ny fanambadiana, miandry tso –drano ! Voarary soa io vao afa –mandeha, Vao afa –mizotra » Izao no hafatrafatr’i FENO ry Zandry, Teny nomeny : « Hafatra mety hisainan’ise, Fa hafatra tsotra ! » 20 Aogositra 2003 /t@ 8ora 32mn maraina Tao MANANKASINA – BETATAO –ANJOZOROBE (107) TSY POETA Lazaina fa adala sy Mpanonofy lava, Ny Poeta… ny Poeta ! Hoe : mangetaheta, Lazaina ho kely asa sy tsy misy hatao Ny Poeta… ny Poeta ! Mpanao amboletra Lazaina fa Mpandainga, Mpirediredy foana, Ny Poeta…ny Poeta : Mpifosa… Mpisoketa ! Lazaina ho izao sy izao Lazaina fa tsy ao…nefa… Maro mpankafy, betsaka mpandranto : Vakiana, halalinina ilay lokon-tsorakanto ; Ny heviny, vimbinina ! Fa iza indrindra moa no nanoratra azy ireny ? Moa tsy ilay Poeta, lazaina fa Mpitsetra ? …ilaina dia ilaina, fa sakafon –tsaina Mampisoka-po Ny kalon’ny Poeta, Fa lova mitoetra , tsy amin’amboletra ny andy NY ZANAK’OLONA Raha mba mamy ihany zandry ny fiarahana hatrizay Sy ny antony ifankatiavana ; Ary raha mba tian’ise ny hampanara –dia anay, Hilahatra, hitandavana ; Na irian’ise hananana ny fahatsiarovana an’i FENO, Dia izao bedibedy izao no ataovy folo an –tanana : N’inona n’inona adilahy sy fifamaliana kely Any an-tokantrano any ; Fadio ny mikasi –tanana ! NY ZANAK’OLONA, TANDREMO !!! Hampakatra azy ise dia hiroso, Ka ito ny ahy mba teny kely : « Ataovy an –tsaina lalandava sy mba diniho foana zandry, Fa ny Olombelona, tsy Anjely ! Aoka aloha izay hazava ! Fa sao dia resa –tondro –molotra sy siosio mba henoheno, No hamonoana andefomandry, Na hampodiana ZANAK’OLONA Ataovy fetry ny fitiavana ny fara –fiantran’ise, Sy ny fara – fandeferana ; Ka izao no hafatro ry Zandry, Raha sendra lavo izy, hareno !!! » Fenoy soratra ny lalana sy ny takelaka rehetra ; Ataovy tototra eny : FENO ! Fa ny ahy ny rahona eny ambony No hovontosako valopy sy taratasy ho an’ise ; Ka vao saron –drahona iny, Dia tsarovy izaho onena sy mibedibedy hoe : « NY ZANAK’OLONA E !TANDREMO !!! » KENDAROROKA Tsa vô hitako malala Raha ‘zao paradisa izao, Aia kay ro hombàna Hengako ho any amignao …va lalan –tany ‘zao ? …va lavitsa mandilatsa ka mila agnay mahiratsa ? Tiako loatsa manko Ilay fo mamatopatotsa Ny dia tafaray Ny masognao zahako Mitsiky matomatotsa Kô mangeka agnay Minga hafatsafatsa Manenga hampisaraka Ny foko lasagnao. De tiako loatsa ho’aho Ny anilagnao izay Mamikitsa , mandaray Ilay dia tadiavinao Arahin’orokoroka Mifampikendaroroka. Am – paradisagnay. … fitia mamindra an –tsoroka HO MANDRAKIZAY ny andy FIRIFIRY ? Firifiry ny tanora , Lany andro miady saina Ny amin’ny resaka fitiavana ? Firifiry hoy ianao ? Firifiry ny tanora, Ory sy miferin’aina Efa sasa –mitandavana ? Firifiry koa no lao… ? Firifiry ireo tanora, Potraka eny an –dalany eny, Ka solafaka fanahy Fa nilalao vy mahamay ? Firifiry ireo tanora Mbola zaza dia efa « RENY » Fa voafita –tovolahy Hamela « ZAZA TSISY RAY ? » Firifiry ny tanora, Efa sahy nanindrona antsy Irony sitra –po nilaina ? Firifiry, hoy ianao ? Firifiry ny Mpitsabo Miray tsikombakomba ratsy Amin’ny famonoana aina Amin’izao fotoana izao ? Raha arakao ny tantara… Dia misy azonao hambara ! Taona 2002 – Manankasina –BETATAO (Anjozorobe) VIAVIKO Viavy ianao, viavy Viavy ka viavy Viavy soa sahady Soa nahavinibinitsa Ny foko ringidringitsa Voatosa –dinitry Ny somanao fitiavana Viavy manko ianao Nanenga anahy mandraina Handremby anao an –tsaina Ianao tsy tazako iny Nanoroka anava any Am –parahali –mamin’ Ny foko izay mandigny Ny afo anatinao . Fa viavy tsara ianao De tiako ianao ‘zay Eny hatramin’izao F’anavako ho anao Ny amiko ho anao. ny andy RANO TRAMBO Ianao matimaty amin’ny Olo –mandalo : Hitia tena tia, Dia mianoka rivotra kely miserana Feno fanamby ! Ianao vao lalovany itendreny kalo, Dia may hiara – dia ; Fa ny azy io fitiavana sendra nitobaka : Be manana amby ! Ianao revorevo, kanefa izy anie Tsy honina akory e ! Izaho namany aza no mba nikirizany Sy novangiany ; Fa aty amintsika, hono, lavitra be Tsy miada –matory ; Ka toa hihaza rivotra ianao sombinaiko Raha miady ho tiany ! Kanefa asanao… fa anao ny fitiavana ‘ndeha hotavaniny ; ianao no hiaina fitiavana roa Sy hampirafesina ; Tsy ianao ho very no tiako hahatongavana Hiala amin’ny taniny : Fa sao re voafitaka ianao Sombinaiko Vao bedibedesina !!! 29 Jona 2003 / t@ 5ora 10 mn hariva BERONONO –Ambatomanoina –Anjozorobe ( 107) MILOKO TSY FITIA Felana ! Angamba fanaperana ny fotsy fihodirana, Mamelana hatsaràna, Mamony voahirana anaty voninahitra ; Fa fotsy mantsy ianao dia halanao ny foko Fa tampon’ny fitiavana ny lokonao mazava, Fa mainty fihodirana, mainty aho angamba ! Dia mainty koa ny foko. Hatramin’ny fitiavako , halanao filoko Fa maizim –pihodirana ny volon –tokontaniny, Fa mainty volon –koditra ny tsaranao aminy Dia verinao ny zony Fa misy ny ambony Ny ambony ambaninao Ny ambany ambony vintana Fa vitambita –mainty Ny ambany anatiko ao Dia tsisy ny toerana Dia tsisy ho an’ny mainty ny fonao niriako Fa mahantra ny fitiavako, ambany ny fiaviako Ambony kosa ianao, ambony fari –piaina Ka tsy natao ho ahy Felana ! Nahoana no noferana ny lokon’ny fitia e ? Ho ahy ? Ny rà mitovy loko : « Mainty ny fitiavako fa madio ny foko, Tia am –panahy. » ny andy MANDRIANA Ny fiainan –dry Tsy mitovy amin’ny fiainana iainako aty Fa atao hoe : morainy ; Angamba ny alina ifametsoana no mba itovizana, Fa ny eto an –tanàna Tongotro sendra voafingana fotsiny Dia hita andihizana ! Olona sendra vaodona tsinahy Dia lasa vavàna. Ianao any tony fa izaho sakodiavatra : Lalako niaka –tsy nidina teto Tsy vakiko intsony. Indry mbola sambatra Fa ny itolomana sy mampahory Dia ny adin –tsaina ; Fa izaho ity lahoana amin’ny Olon –drehetra Ny alina iafenako anatin’ny aizina Tsy sitrako haraina. Miezaka hitsiky Kanefa vao mainka miha –bongo ny maso Alentik’adalo. Ny adin –dry, Tsy mitovy amin’ny ady atrehako aty Fa atao hoe karazany Ny ahy izao namana mba nitarainana Tonga nandatsa, nanjary fahavalo, Ikakakakàny aho raha sendra tazany. Tokana ny ady kanefa tsarovy Fa ny onjam –piainana akia tsy mitovy a ! Mandriana ny aty !!! Zoma 25 Jolay 2003 / t@ 8ora 55mn alina – Ambatomainty Antananarivo FAHATSIAROVANA Fahatsiarovana miotrika anaty Apetrako ho velona mandrakizay Ho anao irery, ho anao mandra –maty Ataoko tsanganan’ny fo mifandray Tsy tontan’ny ela, tsy ravan’ny taona Sora –baventy tsy matin’ny gaona Iriako izao hotsaroanao foana Atao an –tadidy, tsy avela ho moana Rano sy vary no tanjona omaly Orana ao anaty natao idealy Volana sy kintana no mifamaly Anatiko ianao, izaho aminao any Natao ho tsaroana ny dina natao Aza hadinoina izao kanto izao … ny hatsaràny ! ny andy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/nofy-lalina
Nofy lalina
ny eja
NOFY LALINA (hiran'i TOVO J'HAY album vol3 "Tia t'koa") Ilay endrikao zay nahasarika ahy ilay toetranao tsara fanahy malefadefaka fijery maontina fomba sy fiteny Noho ireny rehetra ireny nahatonga ahy hanonofy anao nofy lalina ao anaty alina izay nihaonatsika sy ianao; 'reo nofy mamy mampanontany fa vita lasitra ato an-tsaiko tsy hay vonoina na hadinoina manintona foana ianao ry aiko ! hira izay noventesitsika roa tao anaty nofy kanto tokoa Ny fo miventy azy hono tena feno mikalo ity hira tsy faheno oroka safosafo no solo-tsakafo ireo sangisangy sy vazivazy no tena nampiavaka azy ka hadisoako ve ny hiteny hoe misy lanja be dia be ny fisianao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/satria-ve
SATRIA VE
Tsilaitra
Satria ve Tiana sy iriana Dia manao fanahy iniana Satria ve Lalaina sy hajaina Dia mila anafak'aina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/satria-tia
Satria tia
ny eja
satria tia... Dia niova hono aho, nanam-pahendrena tena hafahafa tsy vokatry ny fehy ary dia manaiky mionona ao anaty mangina tsy mba re. Dia niova ny fiainako narindran'ny fisainako: tsy taitra randram-bao, dia tsy misy afa tsy ianao no hany voajeriny sy tokana tanteliny ary tsy an-tery, tena misitery!.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/veloma-2
Veloma
aladin
Raha handao anao aho Tsy hanadino sanatria Fa mandram-piaona no atao Tsofy rano ho soa ny dia Tsy maintsy mbola hiverina aho Hitodi-doha ho aty Ny ranomasonao fafao Mitrakà dia mitsikia! Raha manembona ahy ianao Aza malaky mitomany Fa ilay hirako hirao Hiantefa any amiko any Eny raha hanainga aho Matokia fa mbola hiaona Veloma no lazaiko izao Veloma, eny mandram-piaona
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/hendre-tsara
Hendre tsara
ny eja
hendre tsara! ilay teny kely izay nomena mba hitandro fahendrena avy amin'ilay malalako any indro lasa teny mamy! ilay teny kely izay nomena mba hitandro fahendrena nisy akony ato anaty niredareda tsy mba maty hendry tsara aho fa aza manahy !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/nenina
Nenina
ny eja
raha azoko atao ny tsy nahalala anao dia nataoko tsotra izao! raha azoko fefena tsy hirona tsy hivena aminao ilay eritreritro minoa ahy f'efa voahevitro
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/anja
Anja !
Lebota
Atolotra ho an'i Anja sy izay zatra mametrapetraka sy mampirafy ! Anjaran'olon-kafa Efa tia hatram'izay ianao ry Anjako Ka aza manatsafa Mamoron-dainga bala rora Ampirefotra ny vanjako. Fa ny lohakelinao No niondana ny tratrany Dia ny tananao roa No namihina ny vatany ! Omaly hariva io ! Ora vitsy monja tamin'ilay fotoanantsika. Resinao aho ! Hana, vaka, nangatsihaka! Eny é ! Fantatro ny fitiavanao ahy Saingy maso sy sakay ny fitiavanay roalahy ! Ka aza amboamboarina Anotoranao ny marina ny hatsaranao tsy hafiko. Avelao hilendalenda Hijery anao manoroka azy Ny molotro sy masoko. Ary alao ny tananao Tsy hitana ny fitafiko Sao ny fofon'olon-tianao Hifangaro fofon'alahelo Dia ny fofom-balifatiko. Mialà !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/mitraka
Mitrakà !
Lebota
Mitrakà ka aza kivy, aza miondrika ao intsony Mitrakà, efao ny adidy dia ny lasa avalony. Mitrakà dia mitrakà aza resy tsy miady Mitrakà dia mandehana fa ny resy no mandady. Mitrakà dia hevero fa tsy jalinao irery Misy namana manampy ka tsy "adi-manirery" Mitrakà dia mijoroa, mitrakà dia mitrakà Fa ny fitrakàna ihany no herim-pon-dehilahy. Mitrakà ! Eny ! Mitrakà ry zandry kely, Mitrakà ka aza lavon-java-tsadon-kery. Mitrakà dia miorena, itsangano ny finoana Fa ny herin'io ihany no mahatonga fandrosoana. Mitrakà mba ho andrin'olon-tiana tena tia Mitrakà ka atrakao koa ireo diso trano, very dia Mitrakà ka ny fonjam-bato nangeja fo anao Dia ataovy vatolampy andry iankinanao. Mitrakà fa tsy mbola vita ny adim-piainan-dratsintsika Mitrakà dia mitsikia; Mitsikia dia mitrakà : Mitrakà fa lehilahy !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/telo
Telo
mahorani
TELO Ry Ray, ny Firenenay; Aza avelanao ho latsaka; Ao anaty kizo indray: Raha efa saika afaka! Ry Jeso, ireo mpitondra, Ampianaro tsy hanahy Mba tsy hatahotra ny onjan' Ny ramatahora, ka ho sahy! Ry Fanahy, ireo vahoaka; Ampianaro mba ho tony, Ka hiezaka tsy hitroatra; Noho ny tsaho nafafy irony! Dia ireo telo ireo; No vavaka asandratray, Henoy ary ka jereo, F'ianao no Telo izay Iray!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/resim-bavy
Resim-bavy?
Lebota
Resim-bavy ! Resim-bavy hoy ialahy! fa izay vehivavy iray no mamono ny fanahy. Resim-bavy ! Eny é ! Izay filazanao ry zandry Anao izany ! Tano, ento-mandry! Ahelezo, ataovy ren-danitra, ataovy ren-tany. Tsy hampihena velively ny fitiavako azy izany ! Resim-bavy ! Resim-bavy izaho angamba ! Ekeko sy zakaiko Fa anjara fijaliako. Resim-bavy ! Tsy manahy na haningotra ny aiko Ny filàko ny olon-tiako. Aleo ho resy raha ho resy, na ho faty na ho lo Aleo aho ho lasa adala, very saina, vaky fo, Resim-bavy ! Ny resy anefa...moa ve tsy olona sedraina? Moa ve tsy olona hiezaka hiandry ny maraina? Moa ve ny resy...tsy afa-manantena "ny fiverenanao" Ary ilay mandresy, raha izany no anarany, Angaha tsy misy fo mitempo, ka tsy hahazo ny anjarany? Tsy resim-bavy izany letsy zandry a ! Tsy izany no fiteny io karazan-olona io. Resim-pitia izy fa ilay tiany, tiany be Dia lasan'olon-kafa : tsy tamana fa nandeha. Resy izy ! ekeny izany ! Miondrika manaiky, mitomany izy androany. Resy izy ! Vaky fo, lavo, nefa hiarina hanohitra ny ankaso Satria ny tena lehilahy, tsy hoe dia mitomany fa "latsa-dranomaso"! Hiarina izy rahampitso ! Hanangona ny heriny ! Tsy hoe hamoi fo ! Sanatria ! Fa hiandry ny fiverin'ito diso trano, very dia. Tsy resim-bavy akory ! fa lehilahy ihany !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/eritreritra-manadala
Eritreritra manadala
ny eja
ny ranomaso mikoriana atsefaky ny sento lalina fa manembona olo tiana izay efa hita fa tsy manina Ny heritsaiko te hiarina mba mizaka fa tsy afaka ka manao sangodim-panina mila hitsoka any an-davaka Mba ovaiko ity eritreritra ka milefa any aminy ihany izaho ve dia maharehitra lahijiro efa ho lany! indro manirery foana ary manonofy hatrany ilay hakanton'ny fotoana niarahanay izay tena mamy! ka ny sisa azoko atao dia ny mionona tokoa ny fitiavany nandao vita hatreo ny anay roa!.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tenio/neny-4
Neny
Tenio
Misento ity foko Ny ranomasoko mipotraka Misento mitoloko Ny alaheloko mitosaka Roa taona lasa izay Nefa tsaroako toy ny omaly Ilay andro rartsy iray Nantsoiko ianao fa tsy namaly Fa lasannao ry tany Ilay hany mba tokako Ilay reny mba hany Fihantana fialofako Izay dada tsy mba tsaroako Nandao ahy fony kely Ianao no mba tokako Tsy nanary velively Na sarotra aza ny miaina Isika roa niara niafy Ianao sanatria ny nitaraina Na dia sendra izay mafy Ny fianarana hoy ianao No hany mba harena Avelako ho anao Ka vitaiko ampahendrena Lehibe ity ny zanakao Kamboty manirery Ka izay kasaiko hatao Dia ho voninahitrao ry Neny
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/tompo-o-izao-no-vavako
Tompo ô ! izao no vavako
Lebota
Tompo ô ! Izao no vavako Ao anaty fitsapana Mahasanganehina ahy, Manoloana an'i Satana Sy ireo fakam-panahy dia Ianao no tiako mba hitana, Ianao no tiako mba hamaha Ny fatoram-pitiavako, nafatotry ny hafa : Fanahiniako na tsinahy. Tompo ô ! Izao no vavako Ao anaty fahakiviana Mampanjombonjombona ahy Ao anaty fijaliana mahavelona ahiahy dia Ianao no tiako hankahery Ianao no tiako haneho amin-kery Ny fitiavanao ahy, Natakaloko olon-kafa Sitrapoko na an-tery. Tompo ô ! Izao no vavako Ao fahalemena Mampiraviravy tànana Ao anaty faharesena Mahalany ny fananana dia Ianao no tiako mba hitia Ianao no antsoiko ka avia Hamerina ny foko Lasan'olon-kafa Diso trano, very dia. Tompo ô ! Izao no vavako Ao anaty mamanala Mampangovigonvitra ahy Ao anaty adalana Sy haratsiam-panahy dia Ianao no tiako hanafana Ianao no tiako hitantarana Ny fahantran'ny fitiavako Nilaozan'olon-kafa Olon-tiana tsy tamana. Tompo ô ! Izao no vavako Ao anaty hasarotana Mampivadik'atidoha Ao anaty varahontsana Mahajemby maso koa dia Ianao no tiako hisarangotana Ianaono tiako ho fanavotana Ny farasisan'ny fitiavako Natosik'olon-kafa Nafindra toerana, nongotana. Tompo ô ! Izao no vavako Ao anaty fahantrana Mampisento lalina ahy Ao anaty fahosana Mahavalaketraka ahy dia Ianao no tiako ho tonga Ianao no antsoiko vetivety monja mba hanasitrana ny foko Noratrain'olon-kafa Voafatotra, voafonja... Tompo ô ! Izay no vavako. Tononkalon-jatovo relijiozy izy ity saingy resim-pitia koa izy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ny-ditranise
Ny ditran'ise
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
NY DITRAN'ISE Tsy hoe fandatsàna Razandry malala, Fa fo efa vato raha toa tsy hongaina, Na koa tsy hiteny ! Fa miherina sahady Ny taona mangidy Nandaozan'i Neny: Ny andro nahalasana... I Neny Olon -tsotra sy mba nantenaina No rembin'ny fasana, Lasa nandeha; fa nihinjitra an -dalana, Folaka an -daton'ny ditran'ise Ise any am -ponja, I Neny mitsotra; Dia resaka ditra tsy tana ohatr'ireny No niova ho ratra nahafaty an'i Neny : "Ise notenenina, tsy azo raràna ! Ise mba natoro, tsy nety voatàna !" Dia izao no iafaràny : Nahafotsy rora ny olona ise vao nahadika lalàna! Efa kamboty vao mahatsapa onja , ka ataovy anatra: Aoka ho afo nandoro an'ise Ny any am -ponja !!! Tsarovy ny hoe: "Ny antony tena nahafaty an'i Neny ? Ny DITRAN'ISE !!!"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramarosoanomenjanahary-roland/raha-toa-tsy-andrinao
Raha toa tsy andrinao
RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND
matoa ny peniko nagina tsy nahasoratra hatr'izay tsy resy izy ri tiana fa mitadidy ireo tsiahy matoa tena tsy naheno sanganasany vaovao tsy tofok'izy fa efa feno ka napitrahata ny natao matoa ny peniko tsy niasa tsy sabata velively fa andro maro efa lasa no nanginana tsy niteny aza tsaraina ny teniko manokana izao no efa malaina ka tsy hasoratra intsony malemy dy malemy ny tanako mitana fa ngamba vita hatreo ny masoandro mpifaliana (deba,menja)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hafatra-tsotra
Hafatra tsotra
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
HAFATRA TSOTRA (Ho an'i LALAINA, ao ANTANAMBAO, antsinanan'i TALATA VOLONONDRY - MASOMANGA Anjaran'ise ny mametraka hoe : Tokony hiroso sa tokony hihemotra ny aminareo !? Ise no hisafidy; Fa n'iza hisakana, n'iza hidrikina, Dia mbola an'ise ihany ny teny farany : "Ise no hiaka -peo !" Hitako tamin'ny fiarahantsika Fa ise tsy mahavita, Raha sady mikimpy no 'ndeha hitsambikina Ary io tsy voarara, na iza handidy Na iza hametra... Fa ho tafaray sy hiroso ianareo Raha ise no anjarany ! Anjaran'ise ny mitsako ny hoe : Ahoana sy ahoana ny fikasakasan'ny fianakaviana ? Rariny ve? Kanefa tsarovy , fa ny Tokantrano Ilàna ny tenin'ny Ray aman -dReny, Ilàm -pirariana ! Tsarovy foana, na ho aiza na hoa aiza, Izao teniko izao : "Ny fanambadiana ? - Miandry TSO - DRANO ! Voarary soa io vao afa -mandeha, Vao afa -mizotra..." Izay no hafatrafatr'i FENO, ry Zandry, Teny nomeny: Hafatra mety hisainan'ise... Fa hafatra tsotra Tao Manankasina Anjozorobe - 2003
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arcane/ho-ani-malalako
Ho an'i malalako
arcane
Hanoratra ho an'iza ? Hoy izy tsy miteny Fa sentosento ihany no ifandraisanay, Midoboka mangina ny feoko nefa reny Dia fantany sahady fa rendrika indray Tsy tototra tomany 'lay haolo hatrizay Ry foko, ô ry foko manoratra aho fa very Mamikitra ny lasa toy amim-by mahamay Naniry ny ho tiana dia indro manirery (Ho an'ny Malalako izay tsy ho tia ahy, Ho fahatsiarovana ny androany)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/tantara
Tantara
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TANTARA Ho an'i MIANDRISOA (avy ao AMBOHIMANARINA) sy LOVA (Dadan'i FI ) Efa mba nilokaloka aho Fa hanoratra tantara Ho an'i BERONONONTSIKA; Dia ataoko izany anio ! Ianareo mirahalahy, Niara - niari -pijaliana Teo an -tany fiadiako, Niasa tamin'ny fo madio Izay vita dia tantara! fa na dia ny taranako aza tsy maintsy amelako hafatra Haneho ny zavatra tsy tazany : "Fa efa nisy, hono, i FENO, Nisy MIANDRISOA sy LOVA: Izy telolahy ireo, Niady ho an'ny Tanindrazany !!! Efa mba niroso isika Hanavotra an'i BERONONO Tao anaty tevan -dalina; Ka nilatsaka hofidizana Nefa niantrana amam - basy Tamin'izay rafozan -jamba tsy nahalala ny aman -taona Namoronana fiadiana. Dia nisy, hono... nisy, hono,... Hetahetanay tanora Maty ho an'i BERONONO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ivo
Ivo
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
IVO "Tsy maintsy manoratra ny tenako, raha mbola misy ny Mpamaky" DAVID RAZAFINDRAKOTO Ny ain'ny soratra dia ny Mpamaky ! Ny Mpioty ny vokatra nakarinao Ka dia fararano; Ireo no Mpijinja ! Ireo no Mpitaky ! Ireo no Mpivoy ny lakanao Tsy hisitrika an -drano. Fa inona marina moa Ary inona koa no teny hovakiana raha tsisy ny soratra ? Foana avokoa ! Tsy maintsy ny soratra No Ambohipihaonan' Ny Olona roa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aft/mitsikia
Mitsikia
aft
Mitsikia dia mitsangana mijoroa ka mandehana tsy ho tara akory ianao fa fotoana indrindra izao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aft/satria
Satria
aft
Satria ianao nanaiky,nanaiky satria mino fa ny fo rehefa tia tsy mety manadino satria ianao tomany manembona azy foana satria ny lasa rehetra toa hita eo anoloana satria ny fonao notoloranao ny tiany satria ianao voafitak'ilay tsikiny fahiny dia tsy helokao izay tomany sy alahelo tsy voafetra tsy helokao satria omban'ny fitiavanao rehetra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramarosoanomenjanahary-roland/fo-maratra-1
Fo maratra
RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND
DE ho kivy ve ny fo raha ny tiana no nandao raha ilay nanakinana ny fo no nandositra tsy tia anao dia hifarana hatreo ve ny tontolom-piainanao raha ilay notokisana no nampitondra ny tsy zaka ilay fo tia efa latsapaka tsia tsy mifarana eo ny aminao izao rehetr'izao mbola lavitra ny lalana ny fiainanao tsy ho fiainako ny fahasambaranao tsy ho fitarainako marina fa mafy izany manadino f a ireo lalana no diavina irea toky pitiavana ankehitsiny tsimitsy lavina dia hofafana ovokoa ireo toky pitiavana taloha.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/ny-fitiavanao-1
Ny fitiavanao
Tsiky dia ampy
Ny fitiavanao niriako Mba hiainako ao anaty Ho fitiavana mba tiako Ho ahy irery mandra-maty. Ny fitiavanao niriako Mba hamelona fanahy. Ho fitiavan'ny fisiako Ka hikambana amin'ny ahy Ny fitiavanao niriako Sy hajaiko fa finidy. Ho fitiavana kajiako Toa diamondra sarobidy. Ny fitiavanao niriako Mba ho ahy tsisy kiana. Ho fitiavana hany tiako Na an-tanan'olon-tiana. Ny fitiavanao niriako Hanan-ko avy mbola tsy hay Ho fitiavana ifaliako Na tsy ho ahy mandrakizay.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/rano-trambo
Rano trambo
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
RANO TRAMBO Ianao matimaty amin'ny Olo -mandalo: Hitia tena tia ! Dia mianoka rivotra kely miserana feno fanamby. Ianao vao lalovany, itendreny kalo Dia may hiara -dia; Fa ny azy io, fitiavana sendra nitobaka : Be manana amby !!! Ianao revorevo kanefa izy anie Tsy honina akory e! Izaho namany aza no mba nikirizany Sy novangiany! Fa aty amintsika,hono, alavitra be Tsy miada -matory ka toa hihaza rivotra ianao sombinaiko raha miady ho tiany ! kanefa asanao...! Fa anao ny fitiavana 'ndeha hotavaniny ! Ianao no hiaina fitiavana roa sy hampirafesina Tsy ianao ho very no tiako hahatongavana Hiala amin'ny taniny; fa sao re voafitaka ianao Sombinaiko vao bedibedesina !!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/mbola-manantena-anao
Mbola manantena anao
aladin
Nanantena anao ity izaho Ho ando hamelombelon'aina Hay fanala nahalao Nitondra hatsiaka sy taraina Jamba taminao ity foko Revo koa izany saina Hay tadio nitora-jofo No reko nihatra aman'aina Nitia anao tokoa mantsy aho Dia ilay fitiavana madio No natokako ho anao Izany no mba tadidio Tsy omeko tsiny ianao Nanaitra ity foko ity satria ao anatiko ao Dia tsy voafafa ilay Fitia FA MBOLA MANANTENA ANAO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/maratra-ianao-ry-foko
Maratra ianao ry foko
aladin
Maratra ianao ry foko Haiko koa fa mijaly Reko mantsy ny toloko Ventesinao mangina any Maratra ianao ekeko Nefa aza mitomany Fa nahazatra antsika hatreto Izany hoe mijaly izany Naratra ianao omaly Fa nilaozan'olon-tiana Toy izany koa ny androany Tsy hita izay mba fifaliana Haratra koa ianao ampitso Haratra foana ho doria Tsy azo ialàna izany indrisy Izany mantsy ny Fitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/ry-tononkalo
Ry tononkalo!
aladin
Ry tononkaloko ô! Nomeko aina ianao Ka indro ny didy izay hotanterahinao Dia hilaza sy hanambara Izany fitiavako Ho an'izay olona izay dia ilay iriko sy malalako Ianao no hisolo vava, ianao handresy lahatra Ka hatramin'ny farany, aoka ianao tsy hitsahatra Dia lazao fa izy dia tiako tena tiako Ka ny fanekeny izany no hany ho fifaliako Lazao koa fa izy no tena hasambarako Dia ny anarany foana no tsy afaka ao am-bavako Ilay endriny sariaka, ilay tsikiny baliaka Dia raikitra ato an-tsaiko tsy azo hodian-tsy hita Dia ambarao fa fitiavana madio no atolotro azy Ilay fitia avy ao am-po fa tsy mba vazivazy Fitia sahy hisedra izay rehetra mety hiseho Fitia ho mamy hatrany fa tsy mba hankaleo Ry tononkaloko ô! Tanterao izao didy izao! Satria izany mantsy no antom-pisianao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/asa-angamba-1
Asa angamba
mahorani
ASA AMGAMBA Ireo tambitamby mba nomeko Eny ho'aho mety ho ekeko Fa tsy ampy nefa kosa Tam-pitiavana niavosa! Ireo angoty mba natolotro Eny ekeko fa ny molotro Mety ho maimbon'ny sigara Na dia niezaka aho ny hiala! Ireo ezaka rehetra Nataoko mila ho an-terisetra Tsy nohenoiny, mahakivy; Asa angamba: LEO IZY?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanty/ry-tiana
Ry tiana
Kanty
fa raha toa ka izaho irery dia tena manirery raha toa ka eo ianao dia faly ny ao anatiko ao avy re aty ianao ilay tena tia ianao ilay tsy mba foiko avia ary ho kaloiko rehefa lasa ianao mijaly ny ao anatiko ao tena mijaly ny avia ry sombin'ny aina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/zaza-ratsy-taiza
Zaza ratsy taiza
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
ZAZA RATSY TAIZA Diso ihany ianao Nandroboka ny ankizy, Hilona anaty harena; Natao tsy orim -bola, navela hiala nenina Amin'izay rehetra tiany, Navela ho afa -po ! Kinanjo izao ny farany ! Ny harenanao miha -ritra ! 'Reo izay tonga taona Tsy misy fahendrena Fa tampony amin'ny ditra ; Vao zaza folo taona Dia tsisy fanajana Fa mamotsifotsy olona: zatra nihanta loatra sy zatra fahafahana , Zatra tsy voageja. Nanjary baranahiny 'Zao ny zanakao Malaza hatraiza, hatraiza Fa "ZAZA RATSY TAIZA!" Faribolana SANDRATRA - Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/lazao-azy
Lazao azy!
aladin
Ry vorona eny an'abakabaka Mba vangio izay tiako izay Lazao azy fa azy ny Fitiavako, Azy irery Ho mandrakizay Lazao azy fa tsy mba foiko Ireny safosafo ,Teny mamy Lazao azy fa alahelo sy toloko No hianako raha lavitra azy Lazao ho azy f'izaho dia tena tia Na dia eo ny elanelan-tany Tsy hivadika aho sanatria Fa tokam-po hatrany hatrany Dia lazao ahy izay ataony any Na mbola tia na nanadino Salama ve na koa marary Ilay fitia izay nifanekena LAZAO AZY TSOTR'IZAO HOE:"IZY MBOLA TIA ANAO!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramarosoanomenjanahary-roland/fo-maratra
Fo maratra
RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND
DE ho kivy ve ny fo raha ny tiana no nandao raha ilay nanakinana ny fo no nandositra tsy tia anao dia hifarana hatreo ve ny tontolom-piainanao raha ilay notokisana no nampitondra ny tsy zaka ilay fo tia efa latsapaka tsia tsy mifarana eo ny aminao izao rehetr'izao mbola lavitra ny lalana ny fiainanao tsy ho fiainako ny fahasambaranao tsy ho fitarainako marina fa mafy izany manadino fa ireo lalana no diavina irea toky pitiavana ankehitsiny tsimitsy lavina dia hofafana ovokoa ireo toky pitiavana taloha.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/miorina
Miorina
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MIORINA Nifankatia mangina Tanaty bedy isika, Fa mamy ny fiarahana ! Dia nisedra riana, Nisangisangy riaka Tanaty fangorahana, Tanaty rahoraho: Nifankatia isika, Na dia mafy aza Ny ataon'ny havanao !!! Jereo ny manodidina Raha mba mijery antsika, Fa samy mankahala, Mifosa miaka -midina, Dia samy manadala Sy mitantara angano; Fa tsy mivadika aho Na folo sakana aza Ny havako ato an -trano Fa mamy ny fiarahana, Mamy ny tantara; Dia mainka toa tantely Ny tsiron'ny fitia Rehefa injay voarara: Mitombo lanja ery !!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/ra-vola
Ra vola
Ny Hasina Heritiana
Noho ianao ra Vola; no hanompoako toy izao; noho ianao ihany koa ; no ihafiako hatramizao; Noho ianao ra-vola no nandaozako ilay fireneko; na nilanjako fijaliana; tsy nampanionona nekeko; Efa nekeko ary ekeko; fa ianao no andry iray; hiankinan'ny fiainako; ka nokatsahiko hatrizay; Nefa na izany aza; aoka ho fantatrao ra-vola; fa mbola misy ilay ambony tiako mihoatra noho ianao; Dia ilay iray tsy foiko; ilay nohajaiko hatrizay; Dia ilay JESOSY TOMPO; Mpanjakako, anio; ampitso, ary ho mandrakizay.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/ho-inonao-1
Ho inonao ??
mahorani
HO INONAO ?? Ho inonao moa izay tomany; Manamaloka ny tavako ? Ny ranomasoko mavany, Mampangidy izany vavako? Ho inonao ny sentosento, Apololoitrako tsy miato ! Ny toloko vetsovetso, Mitobaka ato anatiko ato? Moa ho inonao akory, Ny aretina mahatonga ahy, Hipitrapitra tsy matory; Very saina sy fanahy??? Dia ho inonao anefa, Eny, ho inonao moa; Ny alaheloko rehetra: Izay manjary aretim-po? Ndeha ny lalanao no zory Nolavinao ny fitiavako; K'aza irinao ho hay akory: Ny HAVESARAN'NY HASASARAKO!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/namako
Namako
mahorani
NAMAKO Raha tsaroako fa nandao Ilay masoandrom-piainako; Ary izao tontolo izao, Toa tsy nahita ny tarainako! Raha tsaroako aho fa very; Kivy, ketraka, nanahy: Nahatsiaro tena ho irery, Fa ny rehetra nadao ahy! Tamin'izay no teo ianao, Nampifaly ahy hatrany: Eny isan'andro izao: Nampody hira ny tomany! Ianao tsy sasatry ny niezaka Hampisori-tsiky indray, Tamin'ny endriko efa reraka, Sy niha-osa hatrizay! Ianao tsy vizana nikaroka: Izay hampisokatra ny tanako Hanova ny androko efa matroka: Isaorako ianao.....RY NAMAKO !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riviere-andrianantenaina-jean-michael/ilay-fitia-tsy-tanteraka
Ilay fitia tsy tanteraka
RIVIERE Andrianantenaina Jean Michaël
Indrisy mantsy ry fiainana, fa lasa izy Tsy hita izy, tsy hita intsony mba hitarainana Very aho , tena very satria maty ilay fitia Lasa izy ka namoy, namoy ny ilay fitia Fitia tena matotra no nomeko azy Kanefa ny azy nataony ho vazivazy Fitia tsy voasolo fa tsara kolokolo ny ahy Kanefa izy nanao toy ny lolo Azo lazaina hoe tsara ny lolo kanefa mifindra atsy mifindra aro Hita fa mampiroboro ny famoazam-boha Kanefa ny nalazo fa tsy namoha Voaloto mantsy hono ny sainy Nolazainy tamiko izay nolazainy Fa hoe nariko hono izy, no sady adinoko Kanefa ilay te hisolo toerana no namono voka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/sangisanginolontiana
Sangisangin'olontiana
Ny Hasina Heritiana
Sangisangy hoy ianao; sangisangin'olontiana nefa latsaka tao am-poko tao; ka nampitondra fijaliana. Fa nahoana re ry tiana; fa dia nahoana loatra; no nanome ahy fahoriana;; noho ilay sangy tafahoatra? Miangavy anao aho; miangavy an-tanan-droa, ny marina no mba lazao; hampiononako ny fo Ka dia miandry aho Miandry ilay marina avy aminao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/mpanjono-nangaina
Mpanjono nangaina
mahorani
MPANJONO NANGAINA Lasa dia lasa ny sainy: Variana nanaiki-panondro! Vaka izy, tena tsy hainy; Fa tsy homana mihitsy ny trondro! Toa very foana ny kankany, Matsatson'ny rano sy lany! Nandrasany, tena nadrasany: Fa tsisy mba niakatra avy any! Fa nankaiza daholo ary ireny, No tsisy manaikitra akory; Sa ny feony miteny irery; No reny ka zary ifendroany? Ny nifohazany maraina anefa, Mba hitondrany laoka any an-tranony; Ny masoandro ity efa hilefa, Tsy mba trondro iray ao an-karony! Tsy maintsy izy mody amin'izay, Na misy ny trondro na tsisy! Ireo vady aman-janany izay: Nanantena mba hanao frity!!! Vazivazy iny ny ahy ka ihomehezana; Sangisangy ka zary itsikiana! Kanefa raha tena hofehezina; Dia fananarana raha zohina! Fa maro ny olona an-tany; Manantena ny hahita ny soa; Mitady ka mitady ihany; Tsy misy ka atao ahoana moa?!! Dia ireny tsy ambinina ireny; Tsy ho vita raha hotantaraina; No oharina indray miteny: Ho toy ilay "Mpanjono nangaina!"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/marary-vavony
Marary vavony
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MARARY VAVONY Fa mamy tsy foy hoatra an'iza SAKAIZA Ny tena mba tsiron'ny seza Ohatr'itony; Dia hitondra ho aiza ? Vao anankiroa izao no nazera teo, Dia mihoko amin'ny fatana sy ny vilany : Vaky barara, MARARY VAVONY, TSY TIA TSARAMASO ! Kanefa any an-ketsa Manjary salama; Tsy dininy akory ny andraso... andraso... Fa mambosibosika, homana ihany ! Mba hafa ny fihevitry ny olona sasany, Fa ny hitondra bontolo eo foana no fara -tampon'ny zavatra andrasany; Nefa efa teo ! Tsy nisy n'inona n'inona niangana akory: "Ny Olona entiny ery efa leo, Izy avy mihinana ety dia matory !" Afa - baraka ! Fa ny OLomboafidy sy Ben'ny Tanàna No nahorongorony anaty fonosana, Saika hofafàny; Noheveriny angamba ity olona ity fa gadragadraina Tsy misy lalàna!? Afaka ireo , fa ny vavam -bahoaka ? Tsy mety mangina ! Tsy mety voarara ! Ny hanoso -potaka any aminy ihany !!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/fitia-sur-net
Fitia sur net...!
Ny Hasina Heritiana
Adala angamba aho hoy ianao, Nanankim-po vetivety, tamin\'ilay randram-bao, dia ilay fitia sur net. Nefa izao no tena tsapako; tena tia aho , tia tanteraka; tia ilay olona tsy fantatro; nantenaiko ho dokoterako. Hay ilay gasy izay toa ahy; toa hamitaka ahy indray, Ka hampiombo indray sahady Ilay ratrako am-panahy. Nefa tsy kivy aho fa hanantena; fa mbola hisy iray mba hety; hanome ahy famonjena; amin\'ilay fitia sur net.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/porofo
Porofo
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
POROFO (valin'ny Tononkalon'i dadan'i FI, hoe : "DOSSIER BERONONO" Matimatiny ihany ise Raha nisaina vetivety Hoe :"Ilay Poeta iny, Asavaonan-drehareha Hiedinedina an -gazety, Ka hibahana Onjam -peo Eo am -pitsenàna ny alina; Ny Hodokafana no tiany !" Fa jereo ny fifaliany : "Matimatiny amin'ny taniny Tsy mba misy mpanazava ! Namakivaky ny aty Ala Hoe mitabataba lava: Tsy aman -defona,tsy basy; Namaky lohasaha sy havoana. Tena sahy nitolona izy, Nihoso -potaka aman -jofo; Nefa dia Poeta foana !!! Nino haika angamba ise Fa nolemana ho larony; hay ka ilay Poeta mihitsy no nanentina tantely tamin'ny tany be ronono ? Efa tapa -bolana izy Tsy nitsahatra nandeha : Lany tany ny kirarony !!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ampitapitao-1
Ampitapitao
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
AMPITAPITAO Mba iangaviako anao Ity taratasy ity Omeo azy any; Fa sarotra ny lalana; Ary manginy eny Ny sakan -tsy voaïsa Sy ny elanelan -tany, Tetezana aza rava. Ka ampitao ity Ho tonga vetivety Hivantana any an -tranony, Ataovy TANAN - DAVA Ny fiainana any hoe No bangan'ny fitiavana Sy ny ady ifanaronana; Ary izany izao No mbola itolomana ! Raha sanatria ianareo ka tsy mifankahita tava; Dia iangaviako indrindra : Omeo azy ity, Dia ataovy TANAN - DAVA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/ho-fisaorana-anao
Ho fisaorana Anao
Ny Hasina Heritiana
Ray o ! Ho fisaorana anao no ho voalohan-teny asandratr' ity zanakao noho ireo soa ombieny ombieny. Nomenao fanampiana raha tojo olana nihatra notoloranao fifaliana raha sendra fo naratra. Indraindray aho nanadino ny hiresaka aminao Nefa Tompo tsy nampino Ilay fitia natolotrao. Ka indro havaoziko eto indray ilay voady izay nataoko dia ny hanompo Anao hatrany mandram-pialam-pofonaiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-asy-camille/fiononana
Fiononana
Ny Asy Camille
Ngidimpiainako mazàna ny manembona ireo lasa sy fahiny sesehena izay mandrotika mandrasa ny atisaiko bobongolo mafaitra tsiro mampihivina ary tena mankalao ny mitanisa an\'eritreritra ireo fandavanao ny fiainako tontolo Fa lokondanitra toy ny inona no nambabo anao kokoa ? tsikitsiky mba ahoana ? sa hirahira ngadontempompo ? sao dia efa fahazarana ny miovaova ankany ? .... aza miherika intsony fa izaho mbola hitomany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/izaho-ve-no-tsy-mahay-mitia
Izaho ve no tsy mahay mitia?
Ny Hasina Heritiana
Izaho ve no tsy mahay mitia; sa ianao no sarotra tiavina? Nataoko avokoa izay rehetra tianao; nomeko avokoa izay rehetra nilainao; Najaiko ianao , notiaviko tanteraka; Saingy indrisy izany toa nahatonga anao ho reraka; Izaho ve no tsy mahay mitia ; sa ianao no sarotra tiavina? Indraindray aho manontany tena; Ataoko ahoana no anehoana ilay fitiavako? Nefa izaho mba manana fahalemena; mety ho resy anoloanao rahavako; Izaho ve no tsy mahay mitia; sa ianao no sarotra tiavina? ... Nefa tsarovy fa ho doria; Ilay foko efa lasanao rahavana.