url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ilay-nofim-pitia | Ilay nofim-pitia | Ny Kanto | Ny seho hitako dia endrika iray
Mahafatifaty, tsy aritro loatra izy izay
Manaitra avy hatrany, tsy tsapany akory
Ilay foko midobodoboka, tia, fo torotoro
Ilay endrika hitako toa mihoatra lavitra
Ilay fanantenana noraiketiko ela tam-po
Tojo radom-pitia sa voasary manitra ?
Ravaky ny fo, Ny Aina fanomezan’ny lanit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/toroka-1 | Toroka | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | TOROKA
Tsy haiko Ramose, fa ilay madama iny
Dia tiako homena tsiny !
Fa hatramin’ny herintaona izy no toa hafahafa
Raha izaho no mitafa
Sy mba manontany, dia… zara raha mamaly
Sy hita hoe : “TSY FALY”
Ka tsy haiko Ramose, fa ilay madama iny
Dia tiako homena tsiny !
Tsy haiko koa na izaho, no halany fa malina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raozy | Raozy | raozigasy | Raozy. . .
Raozy sisa
hitanisa
ilay fitia
Voninkazo
izay halazo
tsy ho doria
Dia sento koa
fa tsy hanindroa
hiriaria
Fa hanadino
sy tsy hino
fa nitia
Dia tso-drano
fa angano
irony lasa
Veloma ihany
fa tomany
no handatsa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/toroka-2 | Toroka | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | TOROKA
Tsy haiko Ramose, fa ilay madama iny
Dia tiako homena tsiny !
Fa hatramin’ny herintaona izy no toa hafahafa
Raha izaho no mitafa
Sy mba manontany, dia… zara raha mamaly
Sy hita hoe : “TSY FALY”
Ka tsy haiko Ramose, fa ilay madama iny
Dia tiako homena tsiny !
Tsy haiko koa na izaho, no halany fa malina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/lalany-1 | Lalany | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | LALANY
Ambara ankitsirano
Sy tsy afenina amin’ise
Ry zandry mbola hitia ,
Fa aza maika loatra
Raha sarotra ny lalana
Na ratsy sanatria;
Ary izao no tano :
“Hampoizo ny hitsotra
hanaiky anao ho TIANA !
Fa hampoizo koa
Ny tsy maintsy hitsivalana !”
Ary indrindra, indrindra,
Ataovy an-tsaina tsara
Sy mba fan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/fitia-nivakinina | Fitia nivakinina | DadaRabe | FITIA NIVAKININA
Fitiavako anao, fitia nivakinina,
Mangidy manasitrana ny ratrako ririnina,
Hila tsy ho telina kanefa manome
Ilay tena fiadanana sy fifaliam-be !
Fitiavako anao, fitia voamadilo,
Tsy afaka ao am-bavako, tsy mety lany tsiro,
Jereko toa tsy ampy, kanefa toa tsy lany...
Raha vao midify ianao dia io... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana-1/tsy-ho-very-anjara | Tsy ho very anjara. | Ny Hasina Heritiana | Ataoko angamba fa ampy izay,
ny fijaliako namaivay,
Niharetako , nihafiako fahoriana;
Leo aho ka aleoko aloha mangina.
Manontany tena aho indraindray;
fa dia inona loatra ity mahazo ahy?;
olona iray ve no ataoko hampijaly;
sa ity izaho dia tena voangaly?
Mbola maro ireo tanora maintso volo;
Samy mpankafia, ti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana-1/tsodrano | Tsodrano | Ny Hasina Heritiana | Ekeko fa azy ianao;
tsy misy intsony azoko atao;
Mionona aho fa izay no anjara;
Izay rehetra vita hipetraka ho tantara.
Tiavo izay safidinao;
Eny tiavo izy ary hajao;
Omeko tsodrano ianareo roa;
Ho feno fitiavana, ho tokantrano soa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hihodina-1 | Hihodina | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | HIHODINA
Anananao ny vola
Dia zakanao ny tany;
Fa aza adinoina
Hoe : “indray andro any…
Hivadika ny rasa !”,
vao sendra ankodimirana
Tsy ampoizinao akory
Dia hiova indray ny fiainana :
“Ianao ho tapi –dalana
Fa izy ho lasalasa”.
Fa izy izao mahantra
Dia sahinao enjehinao
Ho ratsy fara-idiny,
Ezahinao po... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanilla/indrisy-3 | Indrisy | Vanilla | indrisy, tapitra ny antsika
nefa ny fo malahelo
mahatsiaro ny volana mibaliaka
izay mahatonga ahy mamelovelo
..............@ manaraka ny tohiny |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/efa-tony | Efa tony | Tsiky dia ampy | Raha ny amiko sy ny ahy
No mahalasa saina anao
Raha ny alahelom-poko
Vesatry ny vokovoko
Raha ny tsindrona mamely
Ka nandratra lalim-pery
Raha ny masoko tomany
Sy ny hafa toa izany...
Vokatr'iny alina iny
Dia tsarovy f'efa tony
Ka tsy nitomany intsony
Nony dify tany ianao.
Efa tony sy nangina
F'efa zatra f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/poteho | Poteho | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | POTEHO
Izaho efa nety ny hampakatra anao
Vonona hiseho sy handoa VODIONDRY,
Ary vonona hitondra ;
fa izaho ve reitsy vao mihevitra andro
Dia i Dadanareo no manangan -totohondry ?!
ka inona indray no holazaiko amin'izany,
fa tsy izay efa nambarako ihany ?
Izaho efa niezaka hanao fanasàna,
Noho ny tongotro mby e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/tiana-1 | Tiana | Lanto | TIANA ,
(ilay efa tiana
sy nirina
hatry ny ela, mbola tsy hita,
mbola nofy ....!)
Izay rehetra noheveriko
Izay fitia mba tratry ny heriko
Hatrizay
Zava-poana !
Izay mba vita, rehareha,
Nahazoana laza, dera;
Mihoatra aminao izao
Moa tsy toy ny dongom-pasika
Lalovan’onja dia hianjera ?!
Ny ranomasoko havozo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/namana-5 | Namana | ny eja | NAMANA !
Namanao fotsiny
tsy misy afa tsy izay
manaiky ny hiantsoroka
ny sedra mahamay
mety mampahory
tsy ahitanao tory.
Namanao foana
anilanao satria
manokana fotoana
porofon'ny fitia
ary izy hanao izay vitany
ka mahasoa anao
f'izay no tena sitrany
safidy tsotra izao
namanao maharitra
raha toa ia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jaory/hampanginiko-ny-foko | Hampanginiko ny foko | jaory | Hampanginiko ny foko
Izay nitepo hatrizay
Hotoniako koa ny saiko
Tsy hamisavisa anao
Be re ny vitan-tsika
Fa ny hoavinao jerena
Ny fonao manontolo angamba
Efa misy manantena
Izao aloha tsy ho kivy
Na koa ketraka amin'izany
Faniriana anie ny antsika
Olom-belona eto antany
Ka raha toa ve tsy tsara
Na koa tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaretsaka/raha-mba-1 | Raha mba | Ikaretsaka | Mba fotoana kely fotsiny
Hitsiponako ny potiny
No nangatahiko taminy
Fa nataony be marenina
izaho saika hiala nenina
mbola hitsipona ny maminy
Sendra vakiko ny siny
ka mba saika hiala tsiny
saingy nilainy vaniny
Dia tsy misy azo alahatra
Fa tadiaviny hatsahatra
ho'zy hoe : hajanona
Dia io aho nitakoko
nan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/mitody | Mitody | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | MITODY
Izaho tsy mandatsa raha hisaraka isika
Kanefa tsarovy;
Fa ny hevitra entina ety sombinaiko,
Tsy hary mitovy !
Tsy hary sahala !
Nefa tsarovy ny DINA natao,
Ny teny navela;
Fa ireny no hiaraka hitody aminao
Na akaiky na ho ela
Fa inona izay fahadisoana tsy nahy
No tsy ananan -kavana ?
ianao rehefa las... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/miandry-3 | Miandry | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | Raha toa sombinaiko heverinao hoe :
Ireo kilalao miparitaka ireo
No KRISMASY;
Dia hevitra diso…
Endrika ivelany fotsiny ireny
Natolotr’ireo fombafomba vahiny,
Hianaran’ny GASY!!!
Ianao aza taitra amin’ny vahoaka be
Raha ny Tranombarotra be fanomezana
No ifamenoana;
Tsy izay no NOELY !
Fa ireny no fomban’ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/diam-peniko | Diam-peniko | aladin | Raha ireny diam-peniko
No misoritra toloko
Tsy sanatria hamendrofendro
Fa hiaka lalina ao am-poko
Raha alahelo no ambetin-teniko
Tsy fitarainana tsy akory
Fa izy ireny no ventesiko
Satria ny lasa tsy tiako hatory
Tsy foiko ho adino ireo toloko
Na nampahory aza tsy ariako
Fa hikoloako ny ambom-poko
Mba tsy ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/maraina-hafa-kely | Maraina hafa kely | Ny Kanto | Maraina voalohany eo anilanao
Ifohazako hahitako ilay tena endrikao
Izaho no hifoha mialoha
Hoy aho anakampo manontany
Hitsangana mitanjaka eo menamenatra ihany
Orokoroka miampy safosafo marobe
Namenoana ny mangina raha tsy nisy feo re
Maraina voalohany eo anilanao
Ifohazako amin’ny nofy niandrasako anao
Tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njiva/souvenir | Souvenir | NJIVA | Souvenir kely monja
No hatolotro ho anao
Feno fitiavana mafonja
Hoy ilay efa fantatrao
Souvenir tsy mba tsara
Nohatolotro ho anao
Nefa kosa manambara
Ny fitiavako anao
Tsy mba manana homena
Na ny vola na ny harena
Fa ny ahy ny souvenir
Dia ilay andalan-tononkira
Hofaranako ny teniko
Raha toa ka malahelo
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/akaro | Akaro | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | AKARO
Akaro ambony ihany
Ny Hiakanao Sakaiza,
Fa ohatry ny hoe : ISIKA
NO ZAZA RATSY TAIZA
Raha tsy mahatana teny,
Na mivadibadi- dela ;
Fa fanamby hatramin’ ny ela
Ny hibata fandresena
‘zay napetraky ny « MARINA ».
Akaro hivazavaza
Fa isika ho’ aho tsy farina ! ! !
Dia,
Akaro ambony koa
Ny vavakao Mpin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/vatsinaina | Vatsin'aina | Ny Kanto | Ireo hafatrafatrao rehetra
Vita pirina voarakitra
Am-po sy saina, ao anaty
Tsy antery, vita tsianjery
Fijerijeriko matetika
Koa rahefa iny fa mandalo
Ireo adim-piainana, alahelo
Na inona inona hampimalo
Ireo teny velona voaraiko
Vatsin’aina hampitraka
No sakelehiko isan’andro
Tsy mba hisaraka amiko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/teto-na-ambatofotsy | Teto na "ambatofotsy" | aladin | Teto amin'ity toerana ity
Efa ho erintaona izay
No nifamborahanay fitia
Nilazàna izay tao am-ponay
Teto ilay toerana maminay
Mirakitra embona, fitia
Toa mbola hitako eto indray
Ireo lasanay,toa fy ery
Dia mbola teto ihany koa
Rehefa harivariva iny
No mba falehanay roa
Tsy nandrenesana hirifiry
Dia teto izah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ilay-fihaonana | Ilay fihaonana | Ny Kanto | Fantatrao ve fa toa kisendrasendra
Ilay famoronana nilaina sy hoekena
Namaka lalina tam-po, efa hatry ny ela
Dia ilay ora sy fotoana hahitako anao
Fihaonana hafahafa kely
Poezia toa tsy izy sa majika ?
Toa tsy inoako nefa nisy
Raha tsy izany tsy ninoako mihintsy
Misy ny fotoanan’ny anjara
Ilay ora iray … izaho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ny-faniriako | Ny faniriako | Ny Kanto | Vao omaly ianao no hitako
Dia nitsiry ilay fitia niriako
Mahatonga ahy mamboraka etoana
Hoe tena tiako ianao ka tiako
‘Lay feon-tsiky avy aminao
No mibitsika ahy hitsinjo
Ilay voahangy miafina ao am-po
Hahita hoe hay ianao tia ahy
‘Lay fijery feno fitiavana
Nasehonao ahy indray androany
Dia tonga aho manakaik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/tsy-misy-hafa | Tsy misy hafa | Ny Kanto | Nandeha ny Andro sy ny Taona
Fa izaho tsy nahay nanadino
Ilay toeranao mbola banga foana
Ny foko minia tsy mety mino
Tadidy ireo niarahana taloha
No mameno ny saina sy ny fo
Mbola mahatsiaro anao tia
Mbola manonofy ilay fitia
Nijanona daholo ny tontoloko
Raha vao lasa ianao
Tsy nisy tantara izay natomboko
Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ilay-tiako-izay | Ilay tiako izay | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Tovovavy iray mahafinaritra tokoa
Ilay tiako izay ka babony ny foko
Tsy ny foko ihany fa ny fanahiko koa
Dia babony daholo lasany avokoa
Mahafatifaty ary koa sariaka
Tsara fanahy no sady tsara bika
Kanto maha-te-ho-tia
Meva tokoa izato ianao
Kisendrasendra angamba no nifankahitana
Kanefa tamin'iny tsaroako toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/amiko | Amiko | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | **nivoaka tamin’ny : RADIO RAVINALA ny 31-03-2000
(valin’ny FANONTANIAN’i TAHIRINTSOA)
« TENA HANDROSO IARIVO
KA HO SANGANY ETO ANIVO »
Hanakoako laza , hanendro koa satria :
Miparitaka eto izao ny teknolojia
« HANDROSO IHANY IARIVO
REHEFA MIHA-MARIVO
‘Reo resa-politikan’ny kely sy lehibe ;
Manosika azy hirots... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arcane/eritreritra | Eritreritra | arcane | Eritreritra mandalo,
Satry foana ho tantaraiko
Sy hamoronako kalo
Ilay endrikao ry aiko
Jiro kely ato am-poko
Manafoana ny adin-tsaiko
Ilay tsikinao miloko,
Hany taratra ilaiko
Eritreritra mandalo
Mitamberina tsy maty
Ny fijerinao mivalo
Fa mirehitra ao anaty
Eritreritra manako
Ny anaranao ry tiako
Zary ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/sangodim-panina | Sangodim-panina | Ny Kanto | Sangodim-panina
Ianao ilay nitia
Naniry ny hankafy
Namisavisa ny hiara-dia
Nikasakasa ny doria
Dia hoe tsy hanan-tsahala
Ilay fitia izay nanadala
Kinanjo ianao izao …
Tsy tojo ilay mangarahara
Fa sendra izay homangidy fara
Fitia afenim-penina,
Fitia tsy hoaseho masoandro
Fantatrao fa tsy ho anjara
Ka tsy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tangena | Tangena | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Nohambaniana sy mavoina
Noesoina fa kamboty
Ilay malalakely adalako
Hany tokan'ny FITIAVAKO
Noterena mba handefitra
Navela hioty fijaliana
Raha nikasa
Ny hijinja FAHASAMBARANA
Ray ô! nahoana no niangarana?
Ilay adala endriko iny
Fa, amiko izy tsisy tsiny
Fa fanirina ihany izany
Ray ô! raha azonao atao
Eny;... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karynah/embona-tsy-hita-maso-1 | Embona tsy hita maso | Karynah | Eritreritra mandeha, miantefa any ho any,
Any ambadiky ny havoana sy ny rahona manombana
Mahatsiaro ireo fotoana nisy mamy teto an-tany
Mamy sady fy tokoa nefa kosa ka dia fongana
Hitako eto indray izao ilay endrika notiaviko
Ilay bika mamiko iny, izay nambabo ny fitiavako
Eo am-pijerena sary no andefasana eritre... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/miandry-4 | Miandry | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | MIANDRY
Sombin -taratasy avy amin'ny resatsika
Izao lazaiko izao :
Amafisiko eto iny sangisangiko iny
fa "TIAKO BE IANAO!"
TIAKO HO AHY IRERY
kanefa indray raha hoe hatambatrao fitia
Dia aleoko aza, very !
Izay ihany anie e!
Miandry valiny aho na ho haingana na ho ela
Fa misaotra be dia be
Ataovy vetivety ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kel/misaina-tsara-dia-mandray-ny-fo | Misaina tsara dia mandray ny fo | KEL | Oh…! Iza moa hatr’izay ka hatramin’izao
Eny fa na ho an’ireo mahantra na ny manana hatao
No handeha ho sahy hilaza, hitabataba sy hihambo
F’eto an-tany izy d’efa sambatra ka lavitry ny loza sy ny atambo
Mahasahy ve ianao hirehareha sy hanambara
Fa hijoro tsy hikoro na izao na any am-para…
Ho lavitry ny fahoriana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ho-fandonaka | Ho fandonaka | Ny Kanto | Noheveriko ho Mpanjaka
Fa hay koa Mpanompo
Ilay Tompo izay ninoako
Ireo masoko jambena
Izay nitady volamena
Gaga raha nahita
Azy nandohalika
Ninitika nanasa
Ireo tongo-bakivaky
Nampianatra ahy ombieny
Ny hanetry tena
Hahay hanompo sy hitia
Ireo no hafatra navelany :
Mba ho fanasina, fandonaka
Ho an’ny tan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/fantatro | Fantatro | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | FANTATRO
Ireny hoe:"POETA" ireny
Raha izay no tena marina;
Dia tsy nanampo akory
Hifanena taminao
Raha nandrafidrafi-teny
Na mba niezaka nanarina,
Fa ny fiainan'olon-kafa
No nitovy taminao,
Dia nanjary nolazainy
Sy hitanao notantarainy:
Dia ohatra ny hoe ianao marina !
Ireny hoe:"POETA" ireny
Raha ny tena ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/fisarahana | Fisarahana | aladin | Toa tsy mety maty ato am-poko
Izay fisarahantsika izay
Fa ankahitriny dia mbola tsaroako
Toa vao omaly no nandratràna ahy
Hariva ny andro tamin'izay
Nangina tamiko izao tontolo izao
Dia tamim-po nangahiahy
No nanaovako Veloma anao
Dia teto amoron'ity rano
No nifamihinantsika
Ny masonao nanganoano
Ny foko rek... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramakavelo/ny-tenindrazana | Ny tenindrazana | Ramakavelo | Nisy taona vitsivitsy
Tany an-dafy no nipetraka
Ka niezaka nanitsy
Sy nanarina ny potraka
Izany tenindrazana iky
Toa navela mba hianjera
Noheverina ho diky
Halaviro, tsy jerena.
Fa izay nomena lanja
Sy noheverina ho tsara
Dia lazaina fa taranja
Tsy azo avela, sao tara.
Tena hoe mba voninahitra
Ny tsy miten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/teny-fahendrena | Teny fahendrena | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | TENY FAHENDRENA
Aza zarinao mitsabaka
Ny fiainan'olon -kafa
Ny ato an-tokantranontsika;
fa ny fiainan'olon -kafa:
sasanangy tsy mitovy,
Valiny tsy mira dika
Amin'ny hitatra sy habaka
Aza zarinao velomina
Any am -patan'olon-kafa
Ny afon'ny nahandrontsika;
Fa ny fatan'olon -kafa,
'ndrao mivaralila fitoetra
k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramakavelo/ny-tsiky-1 | Ny tsiky | Ramakavelo | Ny tsiky mitory hafaliana
Fahatsoram-po, fahasahiana
Fahavononana mba hanome
Ny zava-tsara ao am-ponao re.
Ny tsiky mampisokatra ny saina
Ny tsiky mampisava ny taraina
Ny tsiky mampandroso ny mihaotra
Ny tsiky mampadositra ny tahotra.
Ny tsiky mampahazo izany toky
Na zandry ianao na zoky
Ny tsiky mandrindra f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/fo-adala | Fo adala | Ny Kanto | Ravoravo ery ilay fo
Mietraketraka fitiavana
Manketsy mankeroa
Ireo filana tsy ankanavaka
Tanterahiny avokoa
Tsy mety miato, tsy afa-po
Ny hetahetany rehetra
Tsy voafehiny hanam-petra
Ny fatran’ny fitiavana aminy
Dia ny habetsahan’ny hamaminy
Ny ngidy sy ny tody tsy nosaininy
Rahampitso anefa
Ny hatanorana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/ho-aniza-ny-foko | Ho an\'iza ny foko ! | Lebota | Ho an\'iza ny foko !
Toa tsapako izao fa ratsy tokoa
ity mampirafy misandoka fo,
toa tsapako tery tsy ahafahako miaina
ity zava-bitako mahavery saina
Tao ry Audine nisantatra izany
Fa tsy naharitra, niserana ihany.
Dia tonga ry Vero, ry Ange, Dina
Fa volana vitsy dia lasa tsy tiana.
Tao ry Yvette ry Fanja sy L... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/soava-dia-1 | Soava dia | Tsiky dia ampy | (ho an'ilay namana nametra-pialana)
Tsy aritro leisy ny aingam-panahy nilaozan-tsakaiza
Ka nandray penina hilaza eto fohy ny sento tsy tana.
Fa tonga amy sampanandalana isika ka afaka ho aiza?
Ialahy nantenaina ho namana ity nametra-pialana.
Naratra ny fo, nangotika ny aty, satria ho irery
Saingy tsy maintsy mitr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/ho-anareo-roa | Ho anareo roa ! | Lebota | Misy olon-droa toa mifankatia
Tsy nifampilaza akory fa hiarak'ho doria
Kanefa ny iray toa tena manantena
Fa tsy maintsy hisy hono ny fotoana hifanekena.
Miandry vintana va re sa ny lahatra no toaviny?
Sao dia tsy tsarony fa ilay olona notiaviny
Dia efa an'olon-kafa, efa vita "soratra, sonia"
Ka na hanizingizana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karynah/embona-tsy-hita-maso | Embona tsy hita maso | Karynah | Eritreritra mandeha, miantefa any ho any,
Any ambadiky ny havoana sy ny rahona manombana
Mahatsiaro ireo fotoana nisy mamy teto an-tany
Mamy sady fy tokoa nefa kosa ka dia fongana
Hitako eto indray izao ilay endrika notiaviko
Ilay bika mamiko iny, izay nambabo ny fitiavako
Eo am-pijerena sary no andefasana eritre... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ilay-zaridaina | Ilay zaridaina | Ny Kanto | Ilay Zaridaina
Teto aho no nandalo
Nisento nitomany
Nitady fanavaozana
Niandry lohataoana
Hibanjina hatsarana
Hanadino sy hamalona
Hikosoka ny lasa
Nantenaiko izany
Hanolatra ny fery
Hamafa ny tomany
Hanasitrana fijery
Nentiko eto ho sitranina
Mba hahitako fifaliana
Hiainako ilay fitsaharana
Toa lasa fit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ny-tena-hetsika | Ny tena hetsika | Ny Kanto | Midina an-dalambe
Hanapoaka ny sarom-bilany hono hoe
Toa efa lasa kolon-tsaina izy ity ry zalahy
Satria isaky ny mihetsika kely
Dia ndao! ndao hisavorovoro
Hanankorontana ity firenena
Tsy amim-piheverana akory
Tsy fantany fa hay tsanga-nofy matory
No mampihetsika azy ho amin’ny fanadinoana!
Ireo vahoaka ireo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrakens/isika | Isika! | Fetrakens | Olon-kendry isika
olon-kendry avokoa
Izay milaza fa maditra
moa va mba hendry koa!
Olon-kendry ianao
ekena tsy azo lavina
Fa mbola hendry zaho
raha toa ianao miavona.
Olon-kendry ny olona
ny manantsaina izany
zay mahasahy mitolona
ihany eto an-tany.
fa sarotra ny manambara
hoe olon-kendry ianao
raha toa t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/voady-1 | Voady | aladin | Any ianao ilay tiako izay
Ilay efa nomeko ny foko
Indro tononkalo iray
Vakio fa vokatry ny foko
Tadidio fa misy voady
Izay nekeko, hotanterahiko
Koa dia hitolona aho hiady
Mba ho eo anilanao ry aiko
Tadidio fa ny fitia
Izay natolotro ho anao
Tsy kilalao sanatria
Kanjo voafefy tsotr'izao
Tadidio fa eto an-ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/na-tia-aza-aho | Na tia aza aho ! | Lebota | Na tia aza aho !
Ka hanoratra ho anao
Ataoko an-taratasy na an-tsolo-tsaina toy izao
Na alefako amin'ny paositra,
Hiangaviako "occasion",
Na ateriko amin'ny tànana
na alefako "avion"
Misy dikany inona amin'ny fo vatonao?
Na tia aza aho !
Ka hamoron-kira alefako amin'i Lôla.
Na hanoratra poeme toa adala sady m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/te-handao-anao | Te handao anao ! | Lebota | Te hanoratra aho androany
hilaza aminao
avelao hivalona any
iza fiarahantsika izao.
Te hanoratra aho hilaza
hanambara ankitsirano
saingy ho aiza ireto zaza
Ho aiza koa ny tokantrano?
Tsy hoe nanenina aho anio
raha mihevitra toa io.
Fa mbola te hiverina
amin'ny lasako taloha
ka tiako hitamberina
fony isika ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ankasomparana | Ankasomparana | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | Ndrônana ! Izay moa no anaranao ?
Anarako izany! fa iza no nilaza izany taminao?
Ny olon –drehetra kah! Iza moa no tsy mahalala anao?
Ny tsy mahalala ahy ahoana ry… ry iza moa azafady?
Miavo fotsiny hoe!
Ry Miavo?
ka fantatry ny olon-drehetra anie ianao e! na zaza na lehibe dia samy misiotsioka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/salamanga | Salamanga | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | « Ataonay ahoana moa no hangina manoloana izao ftiavan –dehibe nasehonao ny Literatiora malagasy izao ? – Mba tsy vitanay kosa !
Sitraka ! telina ! maminay tanteraka izao fanotronana sy fampiantranoanao ny SALAMANGA izao .
Maniry ihany koa izahay raha maniry, ny mba hiarahanao manjohy hatrany ny soratra sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/nofy-lalina | Nofy lalina | ny eja | NOFY LALINA
(hiran'i TOVO J'HAY album vol3 "Tia t'koa")
Ilay endrikao zay nahasarika ahy
ilay toetranao tsara fanahy
malefadefaka fijery
maontina fomba sy fiteny
Noho ireny rehetra ireny
nahatonga ahy hanonofy anao
nofy lalina
ao anaty alina
izay nihaonatsika sy ianao;
'reo nofy mamy
mampanontany
fa v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/satria-ve | SATRIA VE | Tsilaitra | Satria ve
Tiana sy iriana
Dia manao fanahy iniana
Satria ve
Lalaina sy hajaina
Dia mila anafak'aina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/satria-tia | Satria tia | ny eja | satria tia...
Dia niova hono aho,
nanam-pahendrena tena hafahafa
tsy vokatry ny fehy
ary dia manaiky
mionona ao anaty
mangina tsy mba re.
Dia niova ny fiainako
narindran'ny fisainako:
tsy taitra randram-bao,
dia tsy misy afa tsy ianao
no hany voajeriny
sy tokana tanteliny
ary tsy an-tery,
tena misi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/veloma-2 | Veloma | aladin | Raha handao anao aho
Tsy hanadino sanatria
Fa mandram-piaona no atao
Tsofy rano ho soa ny dia
Tsy maintsy mbola hiverina aho
Hitodi-doha ho aty
Ny ranomasonao fafao
Mitrakà dia mitsikia!
Raha manembona ahy ianao
Aza malaky mitomany
Fa ilay hirako hirao
Hiantefa any amiko any
Eny raha hanainga aho
Matokia f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/hendre-tsara | Hendre tsara | ny eja | hendre tsara!
ilay teny kely izay nomena
mba hitandro fahendrena
avy amin'ilay malalako any
indro lasa teny mamy!
ilay teny kely izay nomena
mba hitandro fahendrena
nisy akony ato anaty
niredareda tsy mba maty
hendry tsara aho fa aza manahy ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/nenina | Nenina | ny eja | raha azoko atao
ny tsy nahalala anao
dia nataoko tsotra izao!
raha azoko fefena
tsy hirona tsy hivena
aminao ilay eritreritro
minoa ahy f'efa voahevitro |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/anja | Anja ! | Lebota | Atolotra ho an'i Anja sy izay zatra mametrapetraka sy mampirafy !
Anjaran'olon-kafa
Efa tia hatram'izay ianao ry Anjako
Ka aza manatsafa
Mamoron-dainga bala rora
Ampirefotra ny vanjako.
Fa ny lohakelinao
No niondana ny tratrany
Dia ny tananao roa
No namihina ny vatany !
Omaly hariva io !
Ora vitsy monja tami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/mitraka | Mitrakà ! | Lebota | Mitrakà ka aza kivy, aza miondrika ao intsony
Mitrakà, efao ny adidy dia ny lasa avalony.
Mitrakà dia mitrakà aza resy tsy miady
Mitrakà dia mandehana fa ny resy no mandady.
Mitrakà dia hevero fa tsy jalinao irery
Misy namana manampy ka tsy "adi-manirery"
Mitrakà dia mijoroa, mitrakà dia mitrakà
Fa ny fitrakàna ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/telo | Telo | mahorani | TELO
Ry Ray, ny Firenenay;
Aza avelanao ho latsaka;
Ao anaty kizo indray:
Raha efa saika afaka!
Ry Jeso, ireo mpitondra,
Ampianaro tsy hanahy
Mba tsy hatahotra ny onjan'
Ny ramatahora, ka ho sahy!
Ry Fanahy, ireo vahoaka;
Ampianaro mba ho tony,
Ka hiezaka tsy hitroatra;
Noho ny tsaho nafafy irony!
Dia ireo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/resim-bavy | Resim-bavy? | Lebota | Resim-bavy !
Resim-bavy hoy ialahy! fa izay vehivavy iray
no mamono ny fanahy.
Resim-bavy ! Eny é ! Izay filazanao ry zandry
Anao izany ! Tano, ento-mandry!
Ahelezo, ataovy ren-danitra, ataovy ren-tany.
Tsy hampihena velively ny fitiavako azy izany !
Resim-bavy !
Resim-bavy izaho angamba ! Ekeko sy zakaiko
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/eritreritra-manadala | Eritreritra manadala | ny eja | ny ranomaso mikoriana
atsefaky ny sento lalina
fa manembona olo tiana
izay efa hita fa tsy manina
Ny heritsaiko te hiarina
mba mizaka fa tsy afaka
ka manao sangodim-panina
mila hitsoka any an-davaka
Mba ovaiko ity eritreritra
ka milefa any aminy ihany
izaho ve dia maharehitra
lahijiro efa ho lany!
indro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tenio/neny-4 | Neny | Tenio | Misento ity foko
Ny ranomasoko mipotraka
Misento mitoloko
Ny alaheloko mitosaka
Roa taona lasa izay
Nefa tsaroako toy ny omaly
Ilay andro rartsy iray
Nantsoiko ianao fa tsy namaly
Fa lasannao ry tany
Ilay hany mba tokako
Ilay reny mba hany
Fihantana fialofako
Izay dada tsy mba tsaroako
Nandao ahy fony kely... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/tompo-o-izao-no-vavako | Tompo ô ! izao no vavako | Lebota | Tompo ô ! Izao no vavako
Ao anaty fitsapana
Mahasanganehina ahy,
Manoloana an'i Satana
Sy ireo fakam-panahy
dia
Ianao no tiako mba hitana,
Ianao no tiako mba hamaha
Ny fatoram-pitiavako,
nafatotry ny hafa :
Fanahiniako na tsinahy.
Tompo ô ! Izao no vavako
Ao anaty fahakiviana
Mampanjombonjombona ahy
Ao an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ny-ditranise | Ny ditran'ise | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | NY DITRAN'ISE
Tsy hoe fandatsàna Razandry malala,
Fa fo efa vato raha toa tsy hongaina,
Na koa tsy hiteny !
Fa miherina sahady
Ny taona mangidy
Nandaozan'i Neny:
Ny andro nahalasana...
I Neny Olon -tsotra sy mba nantenaina
No rembin'ny fasana,
Lasa nandeha;
fa nihinjitra an -dalana,
Folaka an -daton'ny dit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramarosoanomenjanahary-roland/raha-toa-tsy-andrinao | Raha toa tsy andrinao | RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND | matoa ny peniko nagina
tsy nahasoratra hatr'izay
tsy resy izy ri tiana
fa mitadidy ireo tsiahy
matoa tena tsy naheno
sanganasany vaovao
tsy tofok'izy fa efa feno
ka napitrahata ny natao
matoa ny peniko tsy niasa
tsy sabata velively fa
andro maro efa lasa
no nanginana tsy niteny
aza tsaraina ny teniko manoka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hafatra-tsotra | Hafatra tsotra | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | HAFATRA TSOTRA
(Ho an'i LALAINA, ao ANTANAMBAO, antsinanan'i TALATA VOLONONDRY - MASOMANGA
Anjaran'ise ny mametraka hoe :
Tokony hiroso sa tokony hihemotra ny aminareo !?
Ise no hisafidy;
Fa n'iza hisakana, n'iza hidrikina,
Dia mbola an'ise ihany ny teny farany :
"Ise no hiaka -peo !"
Hitako tamin'ny fiarahants... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arcane/ho-ani-malalako | Ho an'i malalako | arcane | Hanoratra ho an'iza ? Hoy izy tsy miteny
Fa sentosento ihany no ifandraisanay,
Midoboka mangina ny feoko nefa reny
Dia fantany sahady fa rendrika indray
Tsy tototra tomany 'lay haolo hatrizay
Ry foko, ô ry foko manoratra aho fa very
Mamikitra ny lasa toy amim-by mahamay
Naniry ny ho tiana dia indro manirery
(Ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/tantara | Tantara | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | TANTARA
Ho an'i MIANDRISOA (avy ao AMBOHIMANARINA) sy LOVA (Dadan'i FI )
Efa mba nilokaloka aho
Fa hanoratra tantara
Ho an'i BERONONONTSIKA;
Dia ataoko izany anio !
Ianareo mirahalahy,
Niara - niari -pijaliana
Teo an -tany fiadiako,
Niasa tamin'ny fo madio
Izay vita dia tantara!
fa na dia ny taranako aza
ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ivo | Ivo | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | IVO
"Tsy maintsy manoratra ny tenako, raha mbola misy ny Mpamaky" DAVID RAZAFINDRAKOTO
Ny ain'ny soratra dia ny Mpamaky !
Ny Mpioty ny vokatra nakarinao
Ka dia fararano;
Ireo no Mpijinja !
Ireo no Mpitaky !
Ireo no Mpivoy ny lakanao
Tsy hisitrika an -drano.
Fa inona marina moa
Ary inona koa no teny hovakiana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aft/mitsikia | Mitsikia | aft | Mitsikia dia mitsangana
mijoroa ka mandehana
tsy ho tara akory ianao
fa fotoana indrindra izao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aft/satria | Satria | aft | Satria ianao nanaiky,nanaiky satria mino
fa ny fo rehefa tia tsy mety manadino
satria ianao tomany manembona azy foana
satria ny lasa rehetra toa hita eo anoloana
satria ny fonao notoloranao ny tiany
satria ianao voafitak'ilay tsikiny fahiny
dia tsy helokao izay tomany
sy alahelo tsy voafetra
tsy helokao satria... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramarosoanomenjanahary-roland/fo-maratra-1 | Fo maratra | RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND | DE ho kivy ve ny fo
raha ny tiana no nandao
raha ilay nanakinana ny fo
no nandositra tsy tia anao
dia hifarana hatreo ve ny
tontolom-piainanao
raha ilay notokisana
no nampitondra ny tsy zaka
ilay fo tia efa latsapaka
tsia tsy mifarana eo ny aminao
izao rehetr'izao
mbola lavitra ny lalana
ny fiainanao tsy ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/ny-fitiavanao-1 | Ny fitiavanao | Tsiky dia ampy | Ny fitiavanao niriako
Mba hiainako ao anaty
Ho fitiavana mba tiako
Ho ahy irery mandra-maty.
Ny fitiavanao niriako
Mba hamelona fanahy.
Ho fitiavan'ny fisiako
Ka hikambana amin'ny ahy
Ny fitiavanao niriako
Sy hajaiko fa finidy.
Ho fitiavana kajiako
Toa diamondra sarobidy.
Ny fitiavanao niriako
Mba ho ahy t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/rano-trambo | Rano trambo | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | RANO TRAMBO
Ianao matimaty amin'ny Olo -mandalo:
Hitia tena tia !
Dia mianoka rivotra kely miserana
feno fanamby.
Ianao vao lalovany, itendreny kalo
Dia may hiara -dia;
Fa ny azy io, fitiavana sendra nitobaka :
Be manana amby !!!
Ianao revorevo kanefa izy anie
Tsy honina akory e!
Izaho namany aza no mba niki... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/mbola-manantena-anao | Mbola manantena anao | aladin | Nanantena anao ity izaho
Ho ando hamelombelon'aina
Hay fanala nahalao
Nitondra hatsiaka sy taraina
Jamba taminao ity foko
Revo koa izany saina
Hay tadio nitora-jofo
No reko nihatra aman'aina
Nitia anao tokoa mantsy aho
Dia ilay fitiavana madio
No natokako ho anao
Izany no mba tadidio
Tsy omeko tsiny ianao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/maratra-ianao-ry-foko | Maratra ianao ry foko | aladin | Maratra ianao ry foko
Haiko koa fa mijaly
Reko mantsy ny toloko
Ventesinao mangina any
Maratra ianao ekeko
Nefa aza mitomany
Fa nahazatra antsika hatreto
Izany hoe mijaly izany
Naratra ianao omaly
Fa nilaozan'olon-tiana
Toy izany koa ny androany
Tsy hita izay mba fifaliana
Haratra koa ianao ampitso
Haratra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/ry-tononkalo | Ry tononkalo! | aladin | Ry tononkaloko ô! Nomeko aina ianao
Ka indro ny didy izay hotanterahinao
Dia hilaza sy hanambara Izany fitiavako
Ho an'izay olona izay dia ilay iriko sy malalako
Ianao no hisolo vava, ianao handresy lahatra
Ka hatramin'ny farany, aoka ianao tsy hitsahatra
Dia lazao fa izy dia tiako tena tiako
Ka ny fanekeny izan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/asa-angamba-1 | Asa angamba | mahorani | ASA AMGAMBA
Ireo tambitamby mba nomeko
Eny ho'aho mety ho ekeko
Fa tsy ampy nefa kosa
Tam-pitiavana niavosa!
Ireo angoty mba natolotro
Eny ekeko fa ny molotro
Mety ho maimbon'ny sigara
Na dia niezaka aho ny hiala!
Ireo ezaka rehetra
Nataoko mila ho an-terisetra
Tsy nohenoiny, mahakivy;
Asa angamba: LEO IZY? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanty/ry-tiana | Ry tiana | Kanty | fa raha toa ka izaho irery
dia tena manirery
raha toa ka eo ianao
dia faly ny ao anatiko ao
avy re aty
ianao ilay tena tia
ianao ilay tsy mba foiko
avia ary ho kaloiko
rehefa lasa ianao
mijaly ny ao anatiko ao
tena mijaly ny
avia ry sombin'ny aina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/zaza-ratsy-taiza | Zaza ratsy taiza | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | ZAZA RATSY TAIZA
Diso ihany ianao
Nandroboka ny ankizy,
Hilona anaty harena;
Natao tsy orim -bola,
navela hiala nenina
Amin'izay rehetra tiany,
Navela ho afa -po !
Kinanjo izao ny farany !
Ny harenanao miha -ritra !
'Reo izay tonga taona
Tsy misy fahendrena
Fa tampony amin'ny ditra ;
Vao zaza folo taona
D... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/lazao-azy | Lazao azy! | aladin | Ry vorona eny an'abakabaka
Mba vangio izay tiako izay
Lazao azy fa azy ny Fitiavako,
Azy irery Ho mandrakizay
Lazao azy fa tsy mba foiko
Ireny safosafo ,Teny mamy
Lazao azy fa alahelo sy toloko
No hianako raha lavitra azy
Lazao ho azy f'izaho dia tena tia
Na dia eo ny elanelan-tany
Tsy hivadika aho sanatria
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramarosoanomenjanahary-roland/fo-maratra | Fo maratra | RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND | DE ho kivy ve ny fo
raha ny tiana no nandao
raha ilay nanakinana ny fo
no nandositra tsy tia anao
dia hifarana hatreo ve ny
tontolom-piainanao
raha ilay notokisana
no nampitondra ny tsy zaka
ilay fo tia efa latsapaka
tsia tsy mifarana eo ny aminao
izao rehetr'izao
mbola lavitra ny lalana
ny fiainanao tsy ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/miorina | Miorina | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | MIORINA
Nifankatia mangina
Tanaty bedy isika,
Fa mamy ny fiarahana !
Dia nisedra riana,
Nisangisangy riaka
Tanaty fangorahana,
Tanaty rahoraho:
Nifankatia isika,
Na dia mafy aza
Ny ataon'ny havanao !!!
Jereo ny manodidina
Raha mba mijery antsika,
Fa samy mankahala,
Mifosa miaka -midina,
Dia samy manadal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/ra-vola | Ra vola | Ny Hasina Heritiana | Noho ianao ra Vola;
no hanompoako toy izao;
noho ianao ihany koa ;
no ihafiako hatramizao;
Noho ianao ra-vola
no nandaozako ilay fireneko;
na nilanjako fijaliana;
tsy nampanionona nekeko;
Efa nekeko ary ekeko;
fa ianao no andry iray;
hiankinan'ny fiainako;
ka nokatsahiko hatrizay;
Nefa na izany aza;
aoka h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/ho-inonao-1 | Ho inonao ?? | mahorani | HO INONAO ??
Ho inonao moa izay tomany;
Manamaloka ny tavako ?
Ny ranomasoko mavany,
Mampangidy izany vavako?
Ho inonao ny sentosento,
Apololoitrako tsy miato !
Ny toloko vetsovetso,
Mitobaka ato anatiko ato?
Moa ho inonao akory,
Ny aretina mahatonga ahy,
Hipitrapitra tsy matory;
Very saina sy fanahy???
Di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/namako | Namako | mahorani | NAMAKO
Raha tsaroako fa nandao
Ilay masoandrom-piainako;
Ary izao tontolo izao,
Toa tsy nahita ny tarainako!
Raha tsaroako aho fa very;
Kivy, ketraka, nanahy:
Nahatsiaro tena ho irery,
Fa ny rehetra nadao ahy!
Tamin'izay no teo ianao,
Nampifaly ahy hatrany:
Eny isan'andro izao:
Nampody hira ny tomany!
Iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riviere-andrianantenaina-jean-michael/ilay-fitia-tsy-tanteraka | Ilay fitia tsy tanteraka | RIVIERE Andrianantenaina Jean Michaël | Indrisy mantsy ry fiainana, fa lasa izy
Tsy hita izy, tsy hita intsony mba hitarainana
Very aho , tena very satria maty ilay fitia
Lasa izy ka namoy, namoy ny ilay fitia
Fitia tena matotra no nomeko azy
Kanefa ny azy nataony ho vazivazy
Fitia tsy voasolo fa tsara kolokolo ny ahy
Kanefa izy nanao toy ny lolo
Az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/sangisanginolontiana | Sangisangin'olontiana | Ny Hasina Heritiana | Sangisangy hoy ianao;
sangisangin'olontiana
nefa latsaka tao am-poko tao;
ka nampitondra fijaliana.
Fa nahoana re ry tiana;
fa dia nahoana loatra;
no nanome ahy fahoriana;;
noho ilay sangy tafahoatra?
Miangavy anao aho;
miangavy an-tanan-droa,
ny marina no mba lazao;
hampiononako ny fo
Ka dia miandry aho
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/mpanjono-nangaina | Mpanjono nangaina | mahorani | MPANJONO NANGAINA
Lasa dia lasa ny sainy:
Variana nanaiki-panondro!
Vaka izy, tena tsy hainy;
Fa tsy homana mihitsy ny trondro!
Toa very foana ny kankany,
Matsatson'ny rano sy lany!
Nandrasany, tena nadrasany:
Fa tsisy mba niakatra avy any!
Fa nankaiza daholo ary ireny,
No tsisy manaikitra akory;
Sa ny feony... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/marary-vavony | Marary vavony | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | MARARY VAVONY
Fa mamy tsy foy hoatra an'iza SAKAIZA
Ny tena mba tsiron'ny seza Ohatr'itony;
Dia hitondra ho aiza ?
Vao anankiroa izao no nazera teo,
Dia mihoko amin'ny fatana sy ny vilany :
Vaky barara, MARARY VAVONY,
TSY TIA TSARAMASO !
Kanefa any an-ketsa
Manjary salama;
Tsy dininy akory ny andraso... andra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/fitia-sur-net | Fitia sur net...! | Ny Hasina Heritiana | Adala angamba aho hoy ianao,
Nanankim-po vetivety,
tamin\'ilay randram-bao,
dia ilay fitia sur net.
Nefa izao no tena tsapako;
tena tia aho , tia tanteraka;
tia ilay olona tsy fantatro;
nantenaiko ho dokoterako.
Hay ilay gasy izay toa ahy;
toa hamitaka ahy indray,
Ka hampiombo indray sahady
Ilay ratrako am-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/porofo | Porofo | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | POROFO
(valin'ny Tononkalon'i dadan'i FI, hoe : "DOSSIER
BERONONO"
Matimatiny ihany ise
Raha nisaina vetivety
Hoe :"Ilay Poeta iny,
Asavaonan-drehareha
Hiedinedina an -gazety,
Ka hibahana Onjam -peo
Eo am -pitsenàna ny alina;
Ny Hodokafana no tiany !"
Fa jereo ny fifaliany :
"Matimatiny amin'ny taniny
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ampitapitao-1 | Ampitapitao | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | AMPITAPITAO
Mba iangaviako anao
Ity taratasy ity
Omeo azy any;
Fa sarotra ny lalana;
Ary manginy eny
Ny sakan -tsy voaïsa
Sy ny elanelan -tany,
Tetezana aza rava.
Ka ampitao ity
Ho tonga vetivety
Hivantana any an -tranony,
Ataovy TANAN - DAVA
Ny fiainana any hoe
No bangan'ny fitiavana
Sy ny ady ifanar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/ho-fisaorana-anao | Ho fisaorana Anao | Ny Hasina Heritiana | Ray o !
Ho fisaorana anao
no ho voalohan-teny
asandratr' ity zanakao
noho ireo soa ombieny ombieny.
Nomenao fanampiana
raha tojo olana nihatra
notoloranao fifaliana
raha sendra fo naratra.
Indraindray aho nanadino
ny hiresaka aminao
Nefa Tompo tsy nampino
Ilay fitia natolotrao.
Ka indro havaoziko eto indra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-asy-camille/fiononana | Fiononana | Ny Asy Camille | Ngidimpiainako mazàna ny manembona ireo lasa
sy fahiny sesehena izay mandrotika mandrasa
ny atisaiko bobongolo
mafaitra tsiro mampihivina ary tena mankalao
ny mitanisa an\'eritreritra ireo fandavanao
ny fiainako tontolo
Fa lokondanitra toy ny inona no nambabo anao kokoa ?
tsikitsiky mba ahoana ? sa hirahira ngad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/izaho-ve-no-tsy-mahay-mitia | Izaho ve no tsy mahay mitia? | Ny Hasina Heritiana | Izaho ve no tsy mahay mitia;
sa ianao no sarotra tiavina?
Nataoko avokoa izay rehetra tianao;
nomeko avokoa izay rehetra nilainao;
Najaiko ianao , notiaviko tanteraka;
Saingy indrisy izany toa nahatonga anao ho reraka;
Izaho ve no tsy mahay mitia ;
sa ianao no sarotra tiavina?
Indraindray aho manontany tena;
A... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.