url
stringlengths
41
46
title
stringlengths
10
284
date
timestamp[s]date
2007-09-12 12:24:22
2025-12-16 16:17:35
author
stringclasses
1 value
content
stringlengths
113
36.1k
https://mg.globalvoices.org/2023/05/17/164010/
Tatitra Unfreedom Monitor: Kamerona
2023-05-17T03:38:19
Unknown
Sary avy amin'i Ameya Nagarajan Efa ela no sarotra ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny sivana ataon’i Kamerona amin'ny aterineto ity. Vakio ato ny tatitra feno.. Firenena iray voamarika ho mikorisa mankany amin'ny tsirefesimandidy ankihy i Kamerona. Mampiasa fitaovana ankihy ny governemantan'i Kamerona hanaraha-maso sy hifehezana olom-pirenena sady mametra ny fidirana amin'ny aterineto sy ny teknolojia ankihy hafa. Manana fiantraikany lehibe amin'ny demaokrasia sy ny fiainam-bahoaka any Kamerona ny teknôlôjia. Ahafahan'ny mpikatroka ara-politika sy ara-tsosialy mampahomby kokoa ny fandaminana sy ny fampielezana ny hafatra amin'ny olona maro kokoa noho ny taloha ny fielezan'ny smartfinday sy ny media sosialy. Na izany aza, mampidanadana ny varavarana mankany amin'ny fielezan'ny fandisoam-baovao sy ny fahadisoam-baovao, izay mitarika ho amin'ny fisaraham-bazana ara-poko sy ny herisetra noho ny maha-lahy/vavy, ihany koa izany. Manome sehatra iray ho amin'ny resaka fankahalana, izay mety hanitatra ny hantsana ara-tsosialy, ihany koa ny aterineto. Ny tsy fahampian'ny fitsipika mifehy ny media sosialy sy ny aterineto no nanamora ny fizaràn'ny tsirairay vaovao diso sy hampielezana fankahalàna, ka manasarotra ny olom-pirenena hahatakatra ny marina sy handraisana fanapahan-kevitra mahafanta-javatra. Araka ny filazan'i Kendi Gikunda , raha nampiasaina hanentanana ireo Kameroney mpiteny anglisy ny media sosialy, dia lasa fitaovana handrebirebena sy hampiharihariana sy tsy-rariny. Ampiasaina ny teny fankahalàna ho fitaovana hanatrarana tanjona ara-politika sy ara-pitaovana(ohatra: hevitra mampisara-bazana, fampanaovana ny mpanohitra ho tsy olona, fandranitana fahatsapan-donilony sy fankahalana, ary antso hanaovana hetsika maherisetra) (Gikunda). Ankoatra izay, manasaro-toerana ny vehivavy hirotsaka hiteny ampahibemaso ny fanjakazakan'ny vaovao sandoka sy ny fanorisorenana anjotra. Nanimba ny endriky ny vehivavy amin'ny fiainam-bahoaka sy ny politika izany. Nampihatra lalàna sy fitsipika maromaro ny governemanta hanakanana sy hamerana ny fampiasana ireo teknolojia ankihy, ao anatin'izany ny aterineto. Mametraka ny lalàna momba ny fiarovana an'habaka sy ny heloka bevava an-habaka ao amin’ ny tranokala n'ny Minisiteran'ny Paositra sy ny fifandraisandavitra, MinposelTel ao Kamerona, fa izay rehetra mamoaka vaovao sandoka dia tompon'andraikitra mety hiditra am-ponja sy handoa onitra. Mandefa hafatra tahaka ny fampitandremana ho an'ny rehetra sahy namoaka vaovao sandoka ny governemanta, amin'ny alalan'ny Sampan-draharaham-pirenena misahana ny torohay sy ny teknolojiam-pifandraisana (ANTIC), mampiasa ny tolotra finday sy ny serivisin-torohay toy ny MTN sy ny Orange, fa mety ho voasazy amin'ny alalan'ny onitra na famonjana izay namoaka vaovao sandoka. Tsiambaratelo fantatry ny rehetra ny fanaraha-mason'ny Fanjakana — mampiasa ny teknolojia ankihy ny governemanta hamantarana sy hikendrena mpanohitra, hijirihana akaiky ireo hetsika, ary mety hisambotra sy hanagadra olona aza noho ny fanehoany ny heviny anjotra. Mampiharihary ny fampiasana tsirefesimandidy ankihy ny fanapahana ny aterineto matetika, toy ny tao amin'ny faritra mpiteny anglisy tamin'ny taona 2017, sy ny fanakendana azy nandritra ny fifidianana taona 2018. Manampy izany, nampiasa teknolojia ankihy ny governemanta hampanginana ny fahalalahana maneho hevitra, amin'ny fisamborana, fihazonana, ary eny fa na hatramin'ny fahafatesan'ireo mpanao gazety, bilaogera, ary olom-pirenena hafa mihitsy aza noho ny fanehoany ny fomba fijeriny an-jotra. Nampiasa teknolojia ankihy ny governemanta hampiroboroboana ny hafany sy ny hanivanana ny fomba fijery mifanohitra amin'izany, hanindriana ireo vondrona zandriolona ary hanaovana ho lasibatra vondron'olona ara-poko sy ara-pivavahana sasantsasany. Tsikaritra ho manamafy ny tsirefesimandidy ankihy ny governemanta, amin'ny andraikitra maha-mpiaro azy, mpiantoka ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka, mpiambina ny tsy-fivakisan'ny sy ny endriky ny firenena azy ireo, amin'ny fandresen-dahatra ara-piarovana sy filaminana. Ohatra iray manan-danja amin'izany fahatapatapahan'ny aterineto matetika tany amin'ny faritra mpiteny anglisy talohan'ny fifidianan'ny taona 2018. Na izany aza, etsy ankilan'izany, misy ireo vondrona mpiaro ny zo, ny fiarahamonim-pirenena, ary ny mpikatroka manameloka ny hetsiky ny governemanta ho fanitsakitsahana ny fahalalahana sy ny zo. Vakio eto ny tatitra feno The Unfreedom Monitor
https://mg.globalvoices.org/2023/05/19/162435/
“Black Race Trophy”: mankalaza ny asa manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra ao Brazila sy any ivelany
2023-05-19T06:08:22
Unknown
Omena ho an'ireo mpikatroka izay mandray anjara amin'ny ady manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra ny amboara : Giovana Fleck/Global Voices Ao anatin'ny vanim-potoana izay itomboan'ny fanavakavaham-bolonkoditra ao Brezila, tsy ela akory izay dia  misy loka iray anasongadinana ireo mpanao politika, mpihira, mpikatroka ary ireo atleta miady ho amin'ny fanoherana ny fanavakavaham-bolonkoditra ao anatin'ny fiarahamonina misy azy ireo — na tao Brezila izany na tany amin'ireo firenena miteny Portiogey ao Afrika. Araka ny Diarin'ny Filaminam-bahoaka — taona 2022 , dia nitombo 31% ny tranga mifandraika amin'ny fanakavaham-bolonkoditra tao Brezila tamin'ny 2021 raha ampitahaina amin'ny taona lasa. Amin'ny fikatsahana ny hampitomboana ny fahatsiarovantena mikasika ity olana ity, ny ‘Troféu Raça Negra’ (Black Race Trophy, amin'ny teny Anglisy) dia noforonina mba hankalazana ireo olona mavitrika amin'ny ady manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra. Tamin'ny Novambra 2022,tao São Paulo, no natolotra ny amboara. Fanampin'ny fanomezam-boninahitra an'ireo Breziliana dia nakasitrahany ihany koa ireo anarana avy amin'ny tanibe Afrikana. Fiaviana ifampizaràna amin'ny fanjanahantany Fantatra fa i Brezila sy ireo firenena miteny Portiogey ao Afrika dia manana tantara mifototra amin'ny tolona nataony ho fandresena ny fanjanahantany sy ny fikatsahana fahaleovantena manoloana ny fanjakazakana niaretana tamin'ireo firenena Eoropeana. Nisy ampahany tamin'ity tantara ity no nasongadina avy amin'ny fiarahan'i Brezila sy ireo firenena afrikàna niaraka nikatsaka indray ny fifanakaikezana nisy taminy tato anatin'ny taona vitsivitsy. Tsara marihina fa nandritra ny governemantan'ny filoha Breziliana Jair Bolsonaro, izay nandao ny asany tamin'ny taona 2022 ary ny fitantanany dia niavaka tamin'ny politika iraisam-pirenena, dia mbola nitoetra hatrany ny fifandraisana teo amin'ireo firenena miteny Portiogey. Ny niavian'ny fifandraisana nisy teo amin'i Brezila sy ireo firenena Afrikana roa dia nanomboka tamin'ny fotoana izay nahafantaran'ireo zanatany Portiogey ny fifaneraseràna voamariky ny fanondranana andevo teo amin'ireo tanibe Afrikana sy Amerikana. Samy ao anatin'ny Vondron'ny Firenena Miteny Portiogey (CPLP) ireo firenena telo ireo. Ireo nahazo ny amboara Black Race Trophy tamin'ity taona ity Ny Black Race Trophy dia manasongadina ny firaisankina, ny fisolona tena ny vehivavy ary ireo zo azo nandritry ny roapolo taona farany. Ny pej y fanomanana ilay hetsika dia manasongadina fa tamin'ny 2000 no nanombohana ilay amboara, nandritra ny fankalazàna ny faha-500 taona nahatongavan'ny Portiogey tao Brezila. Tamin'ny 2004 no natao ny andiany faharoa. Nanomboka teo dia nisy foana izy io isantaona mba ho fankasitrahana sy hiarahabàna ireo olona nandray anjara tamin'ireo hetsika isankarazany, manome firaketana fahavononana ho an'ireo andian-taranaka ho avy, ny asa, ny faharetana ary ny ohatra ho an'ny daholobe amin'ny fandrafetana fiarahamonina marolafy kokoa. Anisan'ireo nahazo mariboninahitra tamin'ny 2022 i Graça Machel, vehivavy Mozambikàna iray mpanao politika sady mpiaro ny zon'olombelona. Izy ihany koa dia vady navelan'i Samora Machel, ilay Mozambikana mpitarika ara-politika ary ny filoha Afrikana-Tatsimo teo aloha Nelson Mandela. Ity fifantenana ity dia noho izy nitarika ireo fanentanana manerana izao tontolo izao momba ny fiarovana ny zon'olombelona tamin'ny anaran'ireo tovovavy miaina anaty toedraharaha marefo. Eu quero, com humildade, dedicar esse troféu a todas nós mulheres do nosso tempo. Assumindo de mãos dadas. Todas nós vamos lutar para que essas meninas cresçam em uma pátria de iguais, que ninguém as magoe, as discrimine, dê um salário a menos, as trate com desprezo, simplesmente porque são mulheres. Am-panentren-tena, tiako atolotra ity amboara ity ho antsika vehivavy rehetra amin'izao androntsika izao. Mifampitàntana. Hiady isika rehetra mba hitombo anaty fitoviana ao anatina firenena iray ireo tovovavy ireo, mba tsy hisy na iza na iza handratra azy ireo, tsy hisy hanavakavaka azy, tsy hanakarama vary masaka azy, tsy hisy hanambany azy, satria fotsiny hoe vehivavy izy ireo. Ilay fikambanana, izay tarihan'i Graça Machel miaraka amin'ireo mpikatroka hafa avy ao Afrika no nanao ny lahateny fanokafana : Graça Machel was among 16 laureates in Brazil yesterday for the 2022 Black Race Trophy, signalling how much respect and recognition she earns at a global level for her actions that have already caused an impact worldwide and left their mark in a year of challenges and hope. pic.twitter.com/UpCiJqAnmK — GracaMachelTrust (@G_MachelTrust) November 22, 2022 Anisany tamin'ireo nahazo mariboninahitra tamin'ilay amboara Black Race Trophy 2022 tao Brezila omaly i Graça Machel, izay nanamarika ny halehiben'ny fanajana sy ny fankasitrahana mendrika azy  eoa main'ny sehatra iraisampirenena noho ireo  zavatra nataony efa nisy fiantraikany maneran-tany sy namela marika tao anatin'ny taona iray feno fanamby sy fanantenana. pic.twitter.com/UpCiJqAnmK — GracaMachelTrust (@G_MachelTrust) 22 Novambra 2022 Nandritra ny fotoana,  José Vicente, zokiolona ao amin'ny Oniversite Zumbi dos Palmares , mpikarakara ilay hetsika, nilaza hoe : Essa é uma histórica noite. Nós estamos honrando o passado dos nossos ancestrais, de construir uma nação de iguais, e que ninguém seja distinguido pela sua raça ou cor da sua pele. Para que os nossos filhos tenham um país em que possam entrar, ficar e permanecer em qualquer lugar, que eles possam ser o que quiserem, e que eles possam desenvolver qualquer das suas habilidades. Alina manan-tantara ity. Manaja ny lasan'ireo razam-bentsika isika, amin'ny fananganana firenena iray anjakàn'ny fitoviana, ary tsy misy na iza na iza ho avahana noho ny foko na lokon'ny hodiny. Mba hanana firenena azony idirana, ipetrahana ary ijanonana any amin'izay tiany ireo zanatsika, ary azony ampivelarana ny fahaizamanaony. Tao Mozambika, ireo  fikambanana sivily izay mampiroborobo ny zon'olombelona ao amin'ilay firenena no nampahafantatra ilay hetsika: O troféu Raça Negra 2022 foi atribuído a 16 personalidades influentes ao nível Mundial, entre as quais se destacam duas africanas com projecção internacional: Graça Machel e Paulina Chiziane. Integram a lista a Dilma Roussef, antiga Presidente do Brasil; entre outras. pic.twitter.com/1f8NEHQbi1 — Fundação para o Desenvolvimento da Comunidade (@FDC_Moz) November 22, 2022 Olo-malaza 16 toavin-teny eran-tany no notolorana ny Black Race Trophy 2022, anisany tamin'izany ireo Afrikana roa mamiratra amin'ny sehatra iraisam-pirenena : Graça Machel sy Paulina Chiziane. Hita anaty lisitra ry Dilma Rousseff, filohan'i Brezila taloha; ankoatran'ireo hafa.
https://mg.globalvoices.org/2023/05/17/164178/
Kamerona : Fahalalahana voageja
2023-05-17T07:41:02
Unknown
«Tafa momba ny COVID-19 niarahana tamin'ny mpanao gazety, nataon'ny Ministeran'ny Fahasalamana ao Kamerona. Sary an'ny CDC Global ao amin'ny Flickr. Nampiasàna lisansa CC BY 2.0 . Ny tany fambolena akondro ao aminy no tena ahafantarana ilay toeram-pambolena ao Mbanga any amin'ny faritra Littoral , miala 310 km an'i Yaoundé renivohitra. Saingy tsy noho izay no nanomezana voninahitra azy tamin'ny 10 Jona 2020. Lahatsary iray niarahana tamin'i Clément Ytembe Bonda, mpiasa ao amin'ny toeram-pambolena, no lasa niparitaka be, ary hanelohelo azy mandrakizay. Izany rehetra izany dia nanomboka taorian'ny niparitahan'ilay vaovao momba ny fomba ratsy nitantanan'ireo ministera ny vola 180 lavitrisa farantsa CFA natokana ho an'ny COVID-19 tao Afrika Afovoany (XCF) (226 tapitrisa dôlara amerikàna). Tamin'ny 2020, rehefa namely ilay valanaretina, nomen'ny FMI an'io vola io i Kamerona mba hanampiana azy hiatrehany an'ilay valanaretina. Tamin'ny Jona 2020, nisy ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonina sivily sy ireo mpikambana avy amin'ny antoko mpanohitra nisintona lakolosy fanairana momba ny fitantanana ratsy ireo vola natao ho an'ny  COVID-19. Jean Michel Nintcheu, solombavambahoaka avy amin'ny  antoko mpanohitra ” Social Democratic Front (SDF)” , dia nahatsikaritra fa sady tsy nisy fandriana, tsy nisy toeram-pidiovana tany amin'ny iray tamin'ireo ivontoerana fikarakarana ny tratry ny COVID-19 tao amin'ny faritra Littoral ao Kamerona, na dia 100 tapitrisa XCF (manodidina ny 165.000 dôlara amerikàna) aza no natokana hametrahana toeram-pidiovana azo afindra toerana . Noho ny baikon'ny filohampirenena , nanaovan'ny Fitsaràna Mpanamarim-bola ao amin'ny Fitsaràna Avo fanadihadiana ny momba ny fitantanana ireo vola, ary avy eo namoahany famintinana ny tatitra nataony . Marihan'ilay famintinana fa ny ministeran'ny fikarohana siantifika dia tsy namokatra ‘chloroquine’ fa nanafatra ‘hydroxychloroquine’ sy ‘azithromycin’, ary nametaka taratasy kely hilazàna fa azy ireo ny vokatra. Araka izany, mety tsy lany akory ireo 15 tapitrisa farantsa CFA (XCF) (manodidina ny 25.000 dôlara) natao ho an'ny fanavaozana ilay sampana famokarana. Ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka dia voarohirohy amin'ny resaka fampitomboana lazambidy sy ny faharatsiam-pitantanana ny vola. Tamin'ny 2021, araka ny fanomezana laharana nataon'ny Transparency International dia voakilasy ho faha-144/188 i Kamerona. Ny tatitra iray avy amin'ny Vaomieram-pirenena miady amin'ny kolikoly dia mampibaribary ireo andrimpanjakana tena anjakan'ny kolikoly ao Kamerona, ny ministeran'ny fitantanam-bola, ny ministera misahana ny fananantany, ny pôlisy ary ny zandarimaria. Noho ny faharatsiam-pitantanana ireo vola natokana hiadiana amin'ny VIH/SIDA dia any am-ponja i Olanguena Awono, minisitra teo aloha nisahana ny Fahasalamana an-tanandehibe. Izany no anton'ny fisintonana lakolosy fanairana ataon'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona sy ny avy amin'ny fanoherana, momba ireo lazaina fa fanodinkodinam-bola. Tsy lanin'ny vavonin'i Clément Ytembe Bonda ilay vaovao momba ny faharatsian'ny fitantanana ny volan'ny COVID-19. Tamin'io maraina nahavalalalina io, noraisiny ny findainy ary nangatahany ireo namany, Wameni André Boris sy Flavy Kamou Wouwe, mba handrakitra azy anaty lahatsary raha iny izy nanefotefoka ny hatezerany iny. « Tsy maintsy mifoha amin'ny 4 maraina izahay, nefa 32 000 XCF  monja no raisina,  raha ny [minisitra] iray hafa kosa mifoha amin'ny 8 maraina dia mandeha mamonjy birao iray misy rivotra mangatsiatsiaka mba hangalatra 180 000 lavitrisa XCF. Feno akondro hitanao eny rehetra eny, saingy tsy misy azonao kitihana ireny na iray aza. Teny tsy niolakolaka no nampiasain'i Bonda hilazàna ny filoham-pirenena sy ireo minisitra tomponandraikitra tamin'ilay voalaza fa fanodinkodinam-bola . Tamin'ny alàlan'ilay lahatsary, nohazavain'i Bonda ny toedraharaha misy ny asa ao Kamerona amin'izao fotoana izao, toerana izay mahavoatery ny olona iray nahazo diplaoma teny amin'ny anjerimanontolo hiasa any amina toeram-pambolena, noho ny tsy fisian'ny asa. Nambarany ihany koa ireo fepetra iainan'ireo mpiasa any amin'ireo toeram-pambolena ao Kamerona, misahirana tontolo andro tsy mihinan-kanina mba hamokatra akondro ho an'ireo tompon'ny toerana fambolena. Ny karama farany ambany raisina isambolana ao Kamerona, tamin'ny 2022, dia 36 270 XAF (60,05 USD) nefa 32.000 XAF (52,94 USD) no naloa tamin'i Bonda sy ireo namany, izay ambany noho ny karama farany ambany. Lasa nalaza be tao amin'ny tambajotra sôsialy ilay lahatsary ary vetivety foana i Bonda dia lasa olona karohina, satria ny fitenenana toy izany momba ny filoha sy ireo minisitra dia miteraka setriny mafonja ao Kamerona . Ny pôlisy niampanga azy ho nanevateva ny filoha Biya . Nohazaina izy ary nosamborina, niaraka tamin'ireo namany André Boris Wameni sy Flavy Kamou Wouwe, tao amin'ny Toeram-pambolena Haut Penja , rantsan'ny orinasa frantsay iray mpisehatra amin'ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena. Voasambotra tamin'ny 11 Jona 2021, ny 14 Jona 2021 no niakatra fitsarana voalohany ry Bonda sy ny namany. Ny 17 Jona 2021, voatsara tao amin'ny tribonalin'i Njombe ry zareo ary voampanga ho nanao izay hahatezitra ny filoham-panjakana sy nanely vaovao diso teny anaty tambajotra sôsialy, araka ny andininy faha-78 amin'ny lalàna momba ny heloka an-tserasera . Lazain'io lalàna io fa « Na iza na iza mampiasa ny fifandraisana elektrônika na rafitra hafa fampahalalam-baovao mba hiketrehana, na hamoahana, na hanelezana vaovao kanefa tsy afaka manamarina izany na manaporofo fa marina ilay vaovao, dia hosaziana enimbolana hatramin'ny 2 taona an-tranomaizina na lamandy 5 000 000 hatramin'ny à 10 000 000 tapitrisa farantsa CFA, na izy roa mitambatra, dia ny lamandy sy ny famonjàna ». Ny andininy faha-113 amin'ny fehezandalàna momba ny heloka bevava dia manasazy fampidirana am-ponja telo volana hatramin'ny telo taona izay rehetra mandefa na manely vaovao tsy marina, raha toa ireny vaovao ireny ka mety hanohintohina ny fahefam-panjakana na ny firaisam-pirenena . Taona iray taty aoriana, nafahana i André Boris Wameni sy Flavy Kamou Wouwe, fa i Bonda kosa mbola any am-ponja. Nisy ny hevitra tsy nitoviana tamin'io fisamborana io, satria ny sasany nametraka ny hoe mendrika an'ilay tovolahy ny higadra noho ny tsy fahalalam-pomba nasehony nanevateva ny filoha Biya tamin'ny fampiasàna fiteny tsy maotina. Ny sasany nampifandray ilay fisamborana tamin'ny toerana misy ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny firenena – malalaka ry zareo Kameroney rehefa tsy manakiana ny filoha Biya ety anaty tambajotra na ivelany. Tsy io irery no tranga-na famoretana ny fahalalahana maneho hevitra. Tamin'ny 2009, ilay mpanao gazety, Jean Bosco Talla dia naiditra am-ponja noho ny fanivaivàna ny filoha Biya, nefa izy nilaza ho tsy namoaka tao anatin'ny gazetiny afa-tsy ireo teny notsongainy avy amina boky iray. Mbola tsy afaka an-tsain'ireo Kameroney ihany koa ny raharahan'ilay mpanolotra fandaharana anaty fahitalavitra, Serge Alain Ottousy ny ny vahiny nasainy, Engelbert Le Bon Datchoua, mpikambana avy amin'ny hetsiky ny mpanohitra “Cameroon Renaissance Movement (CRM)” tao amin'ny Equinoxe TV , fantsom-pahitalavitra mandeha an-tambajotra ao an-toerana. Nilaza ilay vahiny nasaina fa ny filoha Biya «no zavadoza ratsy indrindra nozakain'i Kamerona hatrizay», ary ny minisitry ny fitantanan-draharaha isam-paritra no nanome baiko ho fakàna am-bavany. Ottou sy Datchoua dia samy nalaina am-bavany tao amin'ny delegasiônam-paritry ny pôlisy tao Littoral . Ny Novambra 2022, nampanantsoin'ny Filankevitry ny Fifandraisana ny tompon'ny Equinoxe TV sy ilay mpanentana fandaharana, mba ho alaina am-bavany. Tsy nolazaina intsony ilay fanontaniana. Fahalalahana aorian'ny fanehoana hevitra Ny lalàm-panorenana kameroney tamin'ny 1996 dia miantoka ny fahalalahana maneho hevitra . « Ny fahalalahan'ny fifandraisana, ny fanehoana hevitra, ny asan-gazety, ny fivoriana, ny fikambanana ary ny fidirana anaty sendikà, ary hatramin'ny zo hitokona, dia iantohan'ireo fepetra voafaritry ny lalàna.» Saingy tsiambaratelon'ny “Polichinelle” ny hoe miteraka antambo ny fanakianana ny filoham-pirenena sy ny governemantany, ivelany na anatin'ny tambajotra. Fitaovam-panjakana daholo ny pôlisy, ny mpitandro filaminana, ireo ministera mpitantan-draharaham-paritra sy ny fifandraisana, ary ny tribonaly, nataony hitazonana fifehezana hentitra amin'ny vahoaka sy hanakanana ny kiana sy ny fanoherana . Arangarangan'ny fanjakana ny anjara andraikiny fahagola maha-mpiambina ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana azy, saingy ataony tsinontsinona ny fahalalahana maneho hevitra Tsidiho ny pejin'ny tetikasa mba hahitàna lahatsoratra misimisy kokoa momba ny Unfreedom Monitor .
https://mg.globalvoices.org/2023/05/16/164077/
Tsy misy olona adino: Mampiroborobo ny fiteny indizeny ao Ghana
2023-05-16T17:06:52
Unknown
Sary nomen'i Mohammed Kamal-Deen Fuseini ary nahazoana alalana taminy. Niasa tamin'ny alalan'ny tetikasa Wikimedia mba hampiroboroboana ny fiteny indizeny ao Ghana i Mohammed Kamal-Deen Fuseini mpikatroka fiteny mikatsaka ny “tsy hisian’ny olona adino noho ny sakana amin'ny fiteny”. Amin'izao fotoana izao izy no mpiara-mitarika ao amin'ny Vondrom-piarahamonina Wikimedia Gurene sady koa mpikambana ao amin'ny Vondron'ny Wikimediana Mpisera Dagbani . Araka ny voalazan'i Mohammed, tsy nampianarina tany an-tsekoly hatramin'izay ny fiteny Gurene na Farefare . Vokatr'izany, tsy nampitombo ny fahaizany mamaky teny tamin'ny fiteniny ireo zokiolona taranaka teo aloha, izay niteraka fanamby amin'ny fampiasana azy amin'ny habaka nomerika. Na izany aza, andalam-piovana izany amin'ireo taranaka vaovao te-hametraka ilay fiteny amin'ny sarintany nomerika. Iray amin'ireo antony nahatonga azy ho anisan'ny ekipa mpanomana ny Fihaonan'ny Wikimedia Fiteny Ghaneana hatao ny 12–14 Mey 2023. Ankoatra izany, i Mohamed no handray ny kaonty Twitter ifandimbiasana @DigiAfricanLang mba hizarana vaovao amin'ny ankatoky ny hetsika sy mandritra ny hetsika. Niresaka tamin'i Mohammed momba ny asany sy ny faniriany ho an'ny fiteny Ghaneana ny Rising Voices. Rising Voices (RV): Manao ahoana ny fiteninao amin'izao fotoana izao na an-jotra na ivelan-jotra? Mohammed Kamal-Deen Fuseini (MKF): In the offline space, the Gurene/Farefare language is currently spoken by over 800,000 people in towns and villages in the Upper East region of Ghana. It is a major program of tutelage at the University of Education, Winneba, at the Ajumako campus. It is also studied as a course in most of the colleges of education in Ghana and as a subject at the basic schools in the Upper East region. In the digital space, it is currently a language on Wikipedia. The language is currently being used to train AI algorithms to speak and translate between Gurene and English on the Khaya app . Mohammed Kamal-Deen Fuseini (MKF): Ao amin'ny habaka ivelanjotra, ampiasain'ny olona maherin'ny 800.000 any amin'ny tanàna sy vohitra any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana ao Ghana ny fiteny Gurene/Farefare. Fandaharan’asa lehibe izy io amin'ny fitaizana ao amin'ny Oniversiten’ny Fanabeazana, Winneba, ao amin’ny anjerimanontolon’i Ajumako. Ianarana ihany koa izy io ho fandaharam-pianarana any amin'ny ankamaroan'ny kolejy fampianarana any Ghana ary ho taranja any amin'ny sekoly fanabeazana fototra any amin'ny faritra Atsinanana Faritra Ambony. Ao amin'ny habaka nomerika, fiteny iray ao amin'ny Wikipedia izy io amin'izao fotoana izao. Ampiasaina amin'izao fotoana izao hanofanana ny algorithm AI ilay fiteny mba ho ampiasaina sy handikana teny eo amin’ny Gurene sy anglisy amin'ny fampiasa Khaya . RV: Inona no antony manosika anao hahita ny fiteninao amin'ny sehatra nomerika? MKF: I have a dream, and in the dream, I see a future where all educational content will be made accessible in my language for people to understand easily, faster, and better. Once we put the language online, we have given life to it till the end of time, so that even when the last speaker dies, the language will still live on. MKF: Manana nofy aho, ary ao anaty nofiko, hitako ny hoavy izay hahatonga ny votoaty fanabeazana rehetra hita amin'ny fiteniko mba ho mora azon'ny olona sy haingana ary tsara kokoa. Nanome aina azy mandrakizay izahay raha vao nametraka ilay fiteny anjotra, ka mbola ho velona hatrany ilay fiteny na dia maty aza ny olona mampiasa azy farany. MKF: Inona no dingana mivaingana araka ny hevitrao azo atao hanentanana ny tanora hanomboka hianatra ny fiteniny na hampiasa ny fiteniny hatrany? Celebrating the Gurene language and culture can be a powerful way to motivate young people to learn and use the language. This can be done through festivals, language camps, and other cultural events that promote the use and appreciation of the language. Parents and community leaders should encourage young people to use the Gurene language in their daily lives by speaking it at home, at community gatherings, and at cultural events. This helps to reinforce the importance of the language and encourages its continued use. Immersion programs can help young people learn and use the language in a natural and immersive setting. These programs can be organized during school holidays or as after-school activities. Mety ho fomba mahery vaika hanentanana ny tanora hianatra sy hampiasa ilay fiteny ny fankalazana ny fiteny sy kolontsaina Gurene. Azo tanterahana izany amin'ny alalan'ny fety, atrikasam-piteny, ary hetsika ara-kolontsaina hafa izay mampiroborobo ny fampiasana sy ny fankasitrahana ilay fiteny. Tokony handrisika ny tanora hampiasa amin'ny fiainany andavanandro ny fiteny Gurene ny ray aman-dreny sy ny lehiben'ny vondrom-piarahamonina mba hampiasa izany any an-tokantrano, eny amin'ny fivorian’ny fiarahamonina, ary amin'ny hetsika ara-kolontsaina. Manampy amin'ny fanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fiteny ary mandrisika ny fampiasana azy hatrany izany. Afaka manampy ny tanora hianatra sy hampiasa ilay fiteny ao anaty tontolo voajanahary sy ilonana ny fandaharan'asa fampirobohana. Azo tanterahina ireo fandaharan’asa ireo mandritra ny fialantsasatry ny sekoly na aorian'ny ora fianarana an-tsekoly.
https://mg.globalvoices.org/2023/05/09/164042/
Ny rakibolana kelin'i “Cha Bubo”, fiteny ao Butembo ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô
2023-05-09T02:05:45
Unknown
Ny fo ara-toekaren'ny tanànan'i Butembo, tany amin'ny manodidina ny taona 2000. Sary tahiry an'i M. Makadisi sy Umbo Salama, fampiasàna nahazoana alàlana Naverin'ny Global Voices noraisina ity lahatsoratra ity ho ampahany ao anatin'ny fifanarahana fiarahamiasa miaraka amin'ny www.icicongo.net . Ny lahatsoratra niaingàna dia azonao jerena ao amin'ny tranonkalan'ny icicongo . Saika any amin'ireo firenena rehetra ao Afrika, milahatra amin'ny fiteny ôfisialy, dia misy ny fiteny eo an-toerana izay neken'ireo mpitondra ho toy ny fitenim-pirenena. Ifampiresahan'ny ankamaroan'ny vahoaka ao amin'ilay firenena ireny fiteny ireny. Fa ivelan'ireny fiteny nasiônaly ireny, tsikaritra ireo faritra madinidinika sy vondron'olona maka ny fitenin'izy ireo manokana. Indraindray izy ireny dia fifangaroan'ireo fiteny ôfisialy sy ireo fiteny eo an-toerana izay mazàna no antsointsika hoe teninjatovo . Raha i Côte d'Ivoire no jerena, misy ny Nouchi (fifangaroan'ny frantsay sy ireo fiteny hafa iraisampirenena sy avy ao an-toerana) izay mahazo laka miaraka amin'ny fisian'ny tanisateny kely iray manomboka miforona miandàlana, ny firenena sasany koa dia manana io karazana fitenin-jatovo io. Toy izany ohatra ny “Cha Bubo” ifampiresahana ao amin'ny tanànan'i Butembo ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC). Butembo dia tanàna iray malaza amin'ireo fandraharahàna ara-barotra misy ao aminy. Any amin'ny faritra Kivu-Avaratra , any atsinanan'ny RDC, no misy azy ary antsoina am-pitiavana hoe « Bubo ». Raha ny “ kiyira “, fitenin'ny foko Yira ( vahoaka maro an'isa ao amin'ny faritra Beni-Lubero ) no tena ifampiresahana be amin'ny fiainana andavanandro, dia manana ny fiteniny azy ireo manokana ihany koa ireo mponina ao Butembo: fifangaroan'ny frantsay, anglisy, lingala ary ny kiyira. Ilay antsoina amin'ny anarana malaza hoe  fiteny “Cha Bubo” izay ireto ny santionany vitsivitsy: Ampiasaina eny rehetra eny ny hoe « rero ». Eto, renareo ireo fehezanteny toy ny hoe « Rero ! Tsy hisy orana androany ! » Eo am-pihainoana dia mihevitra ianao fa ratsy fanonona ny hoe « zéro » ilay olona. « Ny Rero dia fiteny rehefa misy zavatra iray mahagaga. Midika ihany koa ilay teny hoe « Amin'ity indray mitoraka ity ». Io dia fakàna ilay frantsay hoe « où ». Ampiasaina izy io ho fampifandraisana ny « où » amin'izay teny mialoha azy ka miafara amin'ny « s ». Ohatra : « Anaenda z’où ? » Adikao amin'ny teny frantsay ho : « Il part z’où ? » (Ndeha ho aiza izy?). Ity dia midika hoe « mpandainga », fa indraindray dia raisina amin'ny heviny somary malefaka rehefa olona mifankahazo am-po no miresaka. Ampiasaina ihany ko izy hilazàna ireo tsy mitàna ny teny nomeny, ireo mpisandodka sy mpamitaka. Fifangaroana swahili sy fampifanarahana iray midika hoe « il part » (lasa izy). Ity fomba fiteny « ana dié » ity dia entina milaza olona iray nandao. Raha ny marina, ny sasany mampiasa azy amin'ny hevitry ny teny anglisy « to die » (nodimandry), hitenenana ny hoe « mourir » (maty). Kanefa, rehefa miresaka vatana mangatsiaka, azon'izy ireo lazaina ny hoe « ana dayé », hilazàna hoe nodimandry ilay olona na miala aina. Ny mahazatra, « ana die » dia midika hoe « mandeha » na « mandao ». Fifangaroana swahili sy anglisy ary lingala. Midika hoe « chercher » (mitady / mikaroka). Ity teny ity dia avy amin'ny anglisy « to look for » na ny « ko luka »  ho an'ny lingala izay samy midika daholo hoe « mitady ». « Una looka quoi ? », ao anatin'io fanontaniana io, ny swahili, ny fampivadiana ny anglisy, ary ny frantsay dia samy mirotsaka daholo ao anatina fehezanteny tokana. « Una » ho an'ny frantsay dia ny « tu » ; « looka » (chercher).  Dikanteny : « Que cherches-tu ? » (Inona no tadiavinao?°. Fiofon'ny anglisy « town » (tanàna) izy io, na « ville » ho an'ny frantsay. « Tao » dia ampiasaina hanondroana ny toerana fanaovana fifampiraharahana ara-barotra, nefa koa ahitàna ireo biraon'ny masoivoho isankarazany sy ireo fikambanana. Azo ambara ho ny afovoan-tànana na ny toeram-pivarotana lehibe. Brique na million Ireo teny roa ireo dia midika fotsiny « 1000 farantsa kôngôley ». Ny hoe « million »  sy « brique » dia ireo mpamily sy mpitondra taxi-motos no tena mampiasa azy betsaka. Mampiasa azy ihany koa ireo mpivarotra. Araka izany, ao Butembo, mailomailo ianao rehefa misy miteny masombola aminao hoe « brique » na « million » ny tolotra iray. Aza manome mihoatra ny 1000 farantsa kôngôley (0,49 dôlara amerikàna). Ao amin'ny Twitter, tsy dia miasa loatra ny “Cha Bubo”. Saingy ny bitsika nalefan'i Christina Malkia Mukongoma , teratany avy ao RDC, mpanao gazety ao amin'ny The Associated Press ary mpamokatra votoaty ho an'ny fampitambaovao nomerika , dia mampiseho fa azo aparitaka ilay fiteny raha atomboka amin'ny “Cha Bubo” ireo adihevitra: Kuthi kwe bayira ? Muneyo ? Munaona ye Kave? 😍😍😍 Ambu tulisha sirimuka 😂😂😂😂😂😂 pic.twitter.com/lyJsqgd1cd — Christina Malkia Mukongoma (@ChristinaMalkia) June 1, 2021 Inona no vaovao ry mpikambana rehetra ato anatin'ny vondrom-piarahamonina Yira? Salama tsara va ianareo? Nisy nahita an'i Kave ve ?  😍😍😍 Azo ambara ho efa mifoha izao isika rehetra 😂😂😂😂😂😂 pic.twitter.com/lyJsqgd1cd Ny fanolorana ny vaovao amin'ny fiteny “Cha Bubo” ao amin'ny fantsona YouTube-n'ny Bienvenu Lutsumbi official dia ohatra iray amin'izany: Ny fahitàna ny ” Cha Bubo ” maka toerana eo amin'ny sehatra nasiônaly ary ekena toy ny Nouchi ao Côte d'Ivoire dia mitaky ny fampiasan'ny olona marobe eny anivon'ny vahoaka ao RDC an'io fiteny io. Amin'ny lafiny rehetra, mazava tsara fa ivelan'i Butembo dia efa manome tosika azy ny nomerika.
https://mg.globalvoices.org/2023/05/08/164003/
Ao Burundi, mitohy ny fiantraikan'ny tondradrano amin'ireo mponina manodidina ny tanàndehibe
2023-05-08T12:54:18
Unknown
Mponina vitsivitsy avy ao amin'ny vohitr'i Gatumba no mirobo-drano. Sary an'i Ferdinand Mbonihankuye, fampiasàna nahazoana alàlana Any amin'ireo vohitra sasantsasany manodidina an'i Bujumbura, renivohitr'i Burundi, miverimberina matetika ny tondradrano nefa tsy mbola mahita vahaolana maharitra ny fanjakàna. Nanomboka tamin'ny 4 Aprily 2023, niaina ny dona mavesatra nateraky ny tondradrano ireo mponina ao amin'ny vohitr'i Gatumba, any amin'ny faritra manodidina an'i Bujumbura . Indrisy fa tsy vao izao no voalohany tsy maintsy niantrehan-dry zareo ny zavadoza tahaka izany: raha ny marina, efa tamin'ny 2016 no nanomboka ny loza mananontanon'ny tondradrano tao Gatumba . Nanomboka tamin'izany fotoana izany, efa tondradrano telo tao anatin'ny taona efatra no niainan'ilay tanàna, ka fiantraikan'izany mivantana ny famindràna toerana ny olona. Ho an'ireo mponina ao an-toerana, miteraka fifindran-toerana an-tery ireny olana miverimberina ireny. Rehefa avy niaina herintaona mahery tany amin'ireo toerana fialofana ireo nafindra toerana , olana toy ny teo ihany no atrehany, ary sintoniny ny lakolosy fanairana ny fanjakàna sy ireo fikambanana iraisam-pirenena mba hirotsahan'izy ireny an-tsehatra hanampy an-dry zareo araka izy haingana indrindra. Raha nitafa tamin'ny Deutsche Welle , Justine Manariyo, iray tamin'ireo trà-boina no manazava: Ny sasany mipetraka eny amoron-dàlana, izahay izao vao avy nandao ireo toerana famondronana. Efa ny tondradrano no nandroaka anay, dia izao indray mbola rano no manodidina anay, tsy hainay intsony hoe aiza no hitondràna ny zanakay, tsy hainay ihany koa hoe aiza no hanangona sakafo. Hatramin'ny 4 Aprily 2023, fianakaviana an'arivony maro avy amin'ireo vohitra tondraka ao Kinyinya, avy ao amin'io faritra Gatumba io ihany, no nafindra toerana, araka ny fanazavan'ity lahatsary an'i Voa Afrique ity: Tsy maintsy manavotra izay sisa voatsirambin'ny tànany ireo mponina amin'ireo tanàna tondraky ny rano, ary mandositra mankany amin'ireo toerana azo antoka kokoa mba hitady fialofana, toy ny eny amoron'ny làlam-pirenena faha-4 mitondra mankany amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô. Ireo tsy maintsy mifindra toerana, eny amin'ny làlam-pirenena faha-4 ao Bujumbura mankany amin'ny RDC. Sary an'i Ferdinand Mbonihankuye, fampiasàna nahazoana alàlana Ny hafa mifamotoana any amin'ireo toerana fandalovana vonjimaika  any amin'ny manodidina ny faritra tondraky ny rano, miandry ny fotodrafitrasa vaovao any amina toerana iray mbola ho faritan'ireo manampahefana. Ho an'ny hafa, mbola tandindonin'ny tondradrano ireo toerana fandalovana vonjimaika. Ireo trà-boina eny akaikin'ireo toerana vonjimaika manakaiky ny faritra tondraky ny rano. Sary an'i Ferdinand Mbonihankuye, fampiasàna nahazoana alàlana Olana iray miverimberina noho ny antony marolafy ary mitera-pahavoazana mavesatra Ao akaikin'ny Valanjavaboarim-Pirenena ao amin'ny Renirano Rusizi no misy ny ampahany lehibe amin'ireo faritra tondraky ny rano. Marolafy ny antony miteraka ireny tondradrano ireny. Ny mipetraka eo amin'ny sezan'ny voampanga dia ireo sisin'ny renirano Rusizi izay tsy voaaro mba tsy hahatohintohina ireo toeram-ponenana ao amin'io faritra io; nefa koa ny fiovàn'ny toetrandro izay manova ny vanim-potoana sy miteraka firotsahan'ny orana amin'ny fotoana rehetra ; ary farany ny tsy fisian'ny torohay momba ireo faritra mora tondraka ary tsy natao ho an'ny toeram-ponenan'ny olombelona. Zavatra atrehan'ny tanànan'i Bujumbura sy ny manodidina azy ny fihanak'ireo fanorenana marobe tsy ara-dalàna izay ny ankamaroany dia any anaty faritra tsy azo iainana toa an'i Gatumba. Ho an'ny tranonkala Burundi-Eco , io dia toedraharaha iray manahirana ny Birao Borondey misahana ny Fanitarana ny Tanàndehibe, ny Trano Fonenana ary ny Asa Fanorenana (OBUHA). Tena misy fiantraikany ireny tondradrano ireny satria mety hitondra vokany mahatsiravina amin'ny fiainan'ny olompirenena. Raha nanontanian'ny Global Voices, Benjamin Nyambere, raim-pianakaviana niteraka enina, ary mpanelanelana eny am-bohitra (governoram-paritra iray misy fianakaviana 200 mahery kely eo ho eo ao Burundi) ao amin'ny tanànan'i Gatumba, mitaraina fa: Rava daholo ny trano rehetra. Manambana anay ny aretina maro vokatry ny tànana maloto (toy ny  kolerà) na ireo areti-mifindra noho ny tondradrano nandrava ireo toeram-pivoahana, tsy misy intsony ireo loharano hakàna rano madio ho fisotro, hahandroana sakafo. Rano maloto no ampiasain'ny olona. Niandry izahay ny mba hanamboarana ireny sisin'ny renirano Rusizi ireny, saingy tsy nisy na inona na inona, amin'izao fotoana aloha dia eo anelanelan'ny laona sy ny fanoto ny mponina. Benjamin Nyambere, iray amin'ireo telo mpanelanelana ao amin'ny tanànan'i Mushasha, vohitr'i  Gatumba. Sary an'i Ferdinand Mbonihankuye, fampiasàna nahazoana alàlana Feon-dakolosy mitovy amin'izany ihany koa ny an'i Anitha Mugisha, 32 taona, mananotena, renim-pianakaviana niteraka 4, nihaonana tao amin'io toerana io ihany teo am-piezahana hanavotra ny fananany saingy indrisy tsy nahaefa. Teo amin'ny fandraisampeon'ny Global Voices, hoy izy : Lasan'ireny orana ireny jiaby ny fanananay. Tsy manan-kohanina sy toerana hatoriana izahay. Lasan'ny rano daholo ny fitaovana an-dakozia rehetra, ny kidoro fatoriana, ny kahien'ny ankizy ary ireo zavatra hafa ilaina. Natory an-kalamanjàna ny ankizy, ary fanampin'izany, tsy mandeha an-tsekoly ny zanakay. Mangataka amin'ireo mpitondra izahay, sy ireo fikambanana, mba ho avy hanampy anay, raha tsy izany dia mbola hitoetra ambany masontsika foana ny vokany. Ankoatra ny toedraharaha sôsialy efa ambony ambany, voadoana ihany koa ny valanjavaboarim-pirenena ao Rusizi izay efa misedra sahady fahasarotana amin'ny fisarihana mpitsidika , na eo aza ireo tombony ananany azony entina hanohanana ny toekarena ao Gatumba. Miato ny hetsika rehetra momba ny fizahantany satria voasakan'ny tondradrano ny fidirana mankao amin'ilay vala. Voabahan'ny rano tondraka avy amin'ny Renivano Rusizi ny fidirana mankao amin'ny Valam-Pirenena ao Rusizi. Sary an'i Ferdinand Mbonihankuye, fampiasàna nahazoana alàlana Araka ny voalazan'ireo mpiandry vala nohadihadiana: Mbola tsy azo aleha ilay làlana mitondra mankao amin'ny valam-pirenena ao Rusizi. Midika izany fa mihena ny isan'ireo vahiny mpitsidika tonga amin'ireny andro ireny. Vahaolana iray tsy mamaly ny zavatra rehetra andrasana Omen'ny Organisation internationale des migrants (OIM) – Fikambanana Erantany misahana ny MpifindraMonina – toky ny governemanta ao Burundi, tamin'ny fanamafisana fa hisy ny fiahiana ireo tra-boina . Anicet Nibaruta, Tale Jeneralin'ny Fiarovana Sivily sady filohan'ny vovonam-pirenena miandraikitra ny fitantànana ireo loza voajanahary, manazava fa: Efa mieritreritra asa famonjena izahay, iarahana amin'ny OIM. Tokantrano mihoatra ny 350 no hahazo tohana. Ny tsirairay aminy dia handray vola 525.000 Francs Bu (252 dôlara amerikàna) mba handoavany ny hofantrano telo volana mandra-piandry ny vanimpotoana mainandro hahafahana manorina ireo rindrina sy ny fefiloha. Benjamin Nyambere, mpanelanelana am-bohitra ao amin'ny faritra Mushasha I, ao Gatumba, mankasitraka ilay hetsika saingy mbola tsy afa-po: Isaoranay ny OIM sy ny governemanta amin'io fihetsika fanohanana asehony io. Nefa tsy ampy ny vola 525.000 Fbu (252 dôlara amerikàna) satria hiala aminy ny hofantrano 150 000 Fbu (71 dôlara amerikàna). Zavatra marobe no ilainay. Tsy manana hohanina izahay. Antenaiko fa ankoatra io vola ho an'ny hofantrano io; dia hanome sakafo ho anay ny governemanta, na amin'izao fotoana izao aza izahay dia mbola sahiran'ny hanoanana. Ho an'i Nibaruta, ny sisa amin'ireo vahoaka ao Mushasha I sy II dia ho afindra amina toerana hafa. Fa ho an'ny fiarovana ny moron'ny renirano, efa heverina no hanorina rindrina roa mirefy roa kilaometatra avy, mirefy 6 metatra sy 2 metatra. Mandritra ny vanimpotoana mainandro manaraka no hanatontosana ireo asa ireo, handaniana vola mitentina 324 tapitrisa dôlara , araka ny fanazavan'ity lahatsary amin'ny fiteny Kirundi ity. Rehefa heverina ny fiverimberenan'ireo tondradrano ireo, ny fanisahana tanteraka ny mponina no mety ho vahaolana tsara indrindra azon'ireo manampahefana borondey raisina. Izany indrindra no amporisihan'i Mamert Sabushimike, mpikambana avy amin'ny Fikambanan'ireo Naman'ny Natiora ao Burundi ao anatin'ity lahatsary ity:
https://mg.globalvoices.org/2023/04/21/163797/
Zakan'ny malagasy hatrany ny fisondrotry ny vidin'ny entana ilaina andavanandro
2023-04-21T03:54:31
Unknown
Pikantsarin'ny fantsona YouTube de Deutsche Welle Nahitana fiakarana mihoa-pampana ny vidin’ny entana eny an-tsenan’i Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny taona. Tsy sahin’ny Malagasy ny miresaka an-karihary izany, ka miaritra araka izay tratra ry zareo, fa mitaky fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana ny halafon'ny vidim-piainana. Tamin'ny Aogositra 2022, efa nahatratra 9,3% ny tahan'ny fisondrotry ny vidim-piainana . Araka ny filazan'ny mpahay toekarena avy amin'ny Ivotoeram-Pirenena misahana ny Antontanisa (INSTAT), dia mihazakazaka ny fisondrotry ny vidim-piainana ary mety hiakatra io taha io amin'ity taona 2023 ity. Nanomboka tamin'ny volana janoary tokoa dia tsy nitsaha-niakatra haingana ny vidin-tsakafo . Tao anatin’ny herinandro dia lasa Ar3600 (0,8294 dolara amerikana) ny kilaon’ny vary 3200 Ar (0,7373 dolara amerikana). Nahatratra 4100 Ar (0,9446 dolara amerikana) ny vidiny tamin'ny fotoana nanoratana. Mitana toerana lehibe eo amin’ny fahazaran-tsakafo n’ny Malagasy ny vary . Ankoatra ny maha foto-tsakafo azy dia mandrafitra fototra ny kolontsaina sy ny filozofia malagasy izy, satria mifamatotra mafy amin’ny aina ny vary. Araka ny filazan’izy ireo eto Madagasikara dia izay nihinam-bary ihany no mahatsiaro voky. Vitsy anefa ny tokantrano afaka mividy izay ilainy. Ny 81% tokoa manko dia miaina ao ambany tokonam-baravaran'ny fahantrana ka manery ny fehikibony. Voatery mampihena ny fandaniany ny ankamaroan’ny mponina ary tsy afaka misakafo araka ny filàny. Eny fa na dia ny sokajin’olona antonony aza dia voa mafy ka voatery mandray fepetra hitsitsiana vola. Voarara ny fihetsiketsehana Fantatry ny ankamaroan'ny mponina fa tsy vahaolana hamahana ny fidangan'ny vidim-piainana ny fikarakarana fihetsiketsehana . Raha ny marina dia noferan'ny governemanta fotsiny izao ny zo hanao fihetsiketsehana izay lazaina fa noho ny fe-potoana mialoha ny fifidianana: Ce vendredi 31 mars au soir, à la télévision nationale malgache, le ministre de l’intérieur a annoncé que toutes les manifestations à caractère politique dans un lieu public sont désormais interdites et devront se tenir uniquement dans un endroit clos afin « de préserver l’ordre public ». Ny zoma hariva 31 marsa teo, tao amin’ny fahitalavi-pirenena malagasy no nanambaran’ny minisitry ny Atitany fa voarara avokoa ny fihetsiketsehana rehetra ankalamanjana ary tsy maintsy atao amin’ny toerana mihidy irery ihany mba “hitandroana ny filaminam-bahoaka”. Asaina handrotsa-bato amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny Malagasy amin’ny volana novambra 2023 , saingy efa mihenjana ny toe-draharaha sosialy sy politika. Nosakanan’ny tompon’andraikitra tokoa ny hetsika nokarakarain ’ireo mpianatry ny sekoly ambony Politeknika ao Vontovorona tamin'ny 7 marsa lasa teo izay nahitana fifandonana mahery vaika teo amin-dry zareo sy ny mpitandro filaminana . Nanomboka teo dia nanambara ny minisitry ny Atitany ny zoma 31 marsa fa voarara ny fihetsiketsehana sy ny fivoriana ara-politika ankalamanjana rehetra afa-tsy ny an'ireo mpikambana ao amin’ny mpanatanteraka. Antony mahatonga ny fisondrotry ny vidim-piainana Miantraika lalina amin’ny vidim-bokatra sasany ny toetr’andro ratsy sy ny fahasimban’ny lalana . Misy ihany koa ny fiankinan-dohan'i Madagasikara ara-toekarena noho fanafarana ireo akora fototra ilaina andavanandro avy any ivelany. Mbola tsy mahavita mamokatra sakafo ampy hamaliana ny filan’ny mponina efa ho 27 tapitrisa eo ho eo ny firenena. Tompon'andraikitra mahatonga izany ihany koa ny tsy fahafehezan'ny mpiasam-panjakana sy ny tsy fahampian'ny fanaraha-maso ataony amin'ny vidin'entana miranty eny an-tsena. Iharan’ny fikorontanan’ny toe-draharaha iraisampirenena ihany koa ny toekarem-pirenena malagasy, izay tena iharan'ny fisondrotry ny vidim-piainana mifandraika amin’ny ady any Okraina . Raha niantoka ny 30%-n'ny famatsiana varimbazaha eran-tany i Okraina , dia nisedra fiakaram-bidy mihoa-pampana io akora ara-pambolena io taorian'ny nanafihan'i Rosia an'i Okraina. Araka ny filazan'i Benoît Faivre-Dupaigre, mpikaroka ao amin'ny Departemantan'ny Famahavahana ara-toekarena sy ny politikam-panjakana ao amin'ny Sampan-draharahan'ny Fampandrosoana Frantsay (AFD), dia mbola lavitry ny fitoniana ny fanjarian-tsakafo aty Afrika , ary ny kaontinanta Afrikana no tena mila fanampiana ara-tsakafo. Araka ny tatitra dia anisan’ireo firenena afrikanina telo itataovan-doza indrindra i Madagasikara miaraka amin’ny Repoblikan’i Afrika Afovoany sy ny Repoblika Demaokratikan’i Congo (RDC). Asehon'ity fanangonam-baovaon'ny Deutsche Welle ity ireo kasinga ara-toetrandro sy ara-politika nahatonga izao krizy goavana ho an'i Madagasikara izao: Fisondrotry ny vidin’ny zavatra ilaina andavanandro rehetra Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny entana ilaina andavanandro. Araka ny asehon'ity fafana ity, izay mitanisa ireo vokatra voakasiky ny fiakaran'ny vidim-piainana: Mitentina 4 miliara dolara ny trosa tsy maintsy aloan’ny vahoaka sy ny taranany Vidimbary iray kilao: 0.41 dolara amerikana Menaka iray litatra : 1,14 dolara amerikana Lasantsy 1l: 0,94 dolara amerikana Gazoala 1l: 0,80 dolara amerikana saran'ny bus: 0.091 dolara amerikana 1 Euro: 0,87 dolara amerikana Taham-pahantrana: 74 % Vidimbary iray kilao: 0,89 dolara amerikana Menaka iray litatra: 2,97 dolara amerikana Lasantsy 1l: 1,35 dolara amerikana Gazoala 1l: 1,12 dolara amerikana Saran'ny bus: 0.14 dolara amerikana 1 Euro: 1,09 dolara amerikana Taham-pahantrana: 92 % Manoloana izany fidangan’ny vidim-piainana izany, dia toa manilika andraikitra ny governemanta malagasy fa tsy avy aminy no anton'izany. Araka izany, araka ny fampitam-baovao Vaovao Farany , nanambara ny minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera, Lalatiana Rakotondrazafy, hoe : Vahaolana voafetra Efa nanangana ny State Procurement of Madagascar , orinasa manafatra mivantana ireo akora fototra ilaina, ny fanjakana malagasy. Ankoatra izay, natsangana eny amin’ny fokontany — noho ny hamehana ara-tsosialy — ny tetikasa toy ny “ Vary Tsinjo ” (vary nafaran’ny Fanjakana hamidy mora) sy ny “Tsena mora”  ahafahan’ny tokantrano mividy vary mora. Saingy toa tsy ampy izany, araka ny fanehoan-kevitry ny Malagasy maro anjotra: Mananihany eo amin'ny rindrin'ny Real TV Madagascar i Frank Audrey : Eo an-tampon'ny harena isika!!! Miakatra ny vidim-bary, mbola afa-mividy foana, tsy misy sahy miresaka na mihetsika Miakatra ny vidin-tsolika, tsy misy miresaka momba izany Miakatra ny vidin’ny entana ilaina andavanandro ary mitohy izany Miakatra ny vidin'ny entana rehetra! Fa mbola afaka miaritra foana ny Malagasy Ho ela velona ny vahoaka malagasy!! Nandranty tao amin'ny Facebook ny Madagascar Global News : Mba vonjeo re izahay. Tena mahantra sy maty noana izahay Ahenao ny vidim-bary iray kapoaka Tsy zaka ny vidim-bary Na dia mihamihenjana aza ny toe-draharaha politika ary miharatsy isan'andro ny toe-draharaha ara-tsakafo, dia teren'ny governemanta hangina ny olona.
https://mg.globalvoices.org/2023/04/24/163852/
Mafy ny adin'ireo mpiompy mpifindrafindra toerana ao Avaratr'i Nizera (Niger), noho ny haintany
2023-04-24T12:53:03
Unknown
Mpiompy mpifindrafindra toerana, miala sasatra eo akaikin'ny toby vonjimaikan-dry zareo. Sary an'i Khamed Najim, fampiasàna nahazoana alàlana. Nizera no voasokajy ho firenena fahadimy midadasika indrindra ao Afrika (ary faha-22 manerana izao tontolo izao), manana velarana mirefy 1 267 000 km². Nefa 80% amin'ny taniny dia ny taniefitr'i Sahara no mibahana azy, ary ampahany iray monja amin'ny taniny no ahafahan'ireo mponina ao Nizera misitraka ny hamaitson'ny voary ao amin'ny firenena. Araka ny voalazan'ny Wikipedia : Miroso 200 000 hektara isantaona ny taniefitra. Misedra ireo haintany mateti-pitranga ary koa ny filàna tsy mitsaha-mitombo ny hazo sy ny tany azo volena ny fandaharanasam-panjakana ho famerenana ny ala. Nanomboka tamin'ny 1990, very ampahatelony ny velaran'ny ala tao amin'ny firenena ary 1% amin'ny firenena sisa no rakotra. Mba hahafahana manao asa fambolena sahaza, 8 % monja amin'ny faritra no mba mahazo rotsakorana mihoatra ny 400 mm isantaona. Tamin'ny 2015, tratry ny tsy fahampiana sakafo ara-drafitra ny firenena. Araka izany, ny tsy fahampian'ny orana no mbola olana goavana atrehan'ny vahoaka, na efa manomboka manova tsikelikely ny andavanandron'ireo mponina eny an-toerana aza ny fametrahana ireo lavadrano sy siniben-drano . Ny tena voa mafy indrindra amin'ilay tsy fahampian'ny loharano hahazoana rano dia ireo vahoaka mpifindrafindra toerana mandeha mitety tanàndehibe, na ny faritra ambanivohitra mitady izay toerana tsara indrindra hitondràny ny andiam-biby fiompy entin-dry zareo miaraka aminy, indrindra fa ny ao avaratry ny firenena. Sady koa, ny vahoaka ao Nizera dia fifangaroana foko marobe ka isan'izany ry zareo Haoussas (55,4 % amin'ny vahoaka), ny Zarmas (18,2 %), ny Touaregs (11 %) , ny Peuhls (6,5 %), ny Kanouris (4,2 %) , ny Songhaïs (4 %) ary vondrona hafa maro. Ny Touaregs sy ny Peuls no tena mpifindrafindra toerana sy mpiompy biby. Andian'omby eo amin'ny toerana iray fisintonan-drano ao inwagheur, Nizera. Sary an'i Khamed Najim, fampiasàna nahazoana alàlana Ao amin'ity faritra iray ao amin'ny firenena ity, faritra midadasika, mafàna ary taniefitra, ny haintany no tena olana fototra mamaritra ny fiainan'ireo mpiompy. Ireo Touaregs, mpiompy mifindrafindra toerana. Sary an'i Khamed Najim, fampiasàna nahazoana alàlana Ao avaratr'i Nizera, roa ka hatramin'ny efatra volana isantaona no misy orana, manome vahana ny tsy fahampian'ny sakafom-biby, ary hatramina haintany miverimberina isantaona mihitsy aza . Io toedraharaha io dia manery ireo mpiompy hanao fifindran-toerana an-tery mba hikaroka izay toerana tsara indrindra misy ahimaitso natsimoky ny orana vao nilatsaka ka azon'ny biby fiompiny hiraofana . Andiam-biby fiompy mandeha hiraoka ahitra amina toerana iray anombohan'ny ahimaitso mitsimoka. Sary an'i Khamed Najim, fampiasàna nahazoana alàlana Manoloana io toedraharaha izay mazàna tena manahirana ateraky ny haintany io, fatiantoka goavana amin'ny ankapobeny no voarakitra amin'ireo biby fiompy noho izy ireo tsy ampy hery hanarahana ny onjan'ilay fifindran-toerana. Io dia manome vahana ihany koa ny fitomboan'ny aretina sy miteraka fahavoazana goavana araka ny asehon'ny fanadihadian'ny Tv5Monde an'ireo peuls mpiompy : Mandritra ny vanimpotoana antsoina hoe maitso ahitra, ireny fifindrana toerana mba hitady izay hivelomana ireny dia tsy maintsy atao mba hiandrasana ny vanimpotoana vaovao indray ilatsahan'ny orana, indraindray mandritra ny fotoana mihitatra ela. Rameva ampiasaina ho fitaovam-pitaterana ho an'ireo Touaregs sy ireo mpiompy mpifindrafindra toerana. Sary an'i Khamed Najim, fampiasàna nahazoana alàlana Mandritra io vanimpotoana io, ampiasaina manokana ireo biby toy ny rameva, ny ampondra, ny omby mba hampiakarana rano avy any anaty lavadrano manana halalina 80 hatramin'ny 120 metatra, ary dia drodroka alohan'ny fotoana. Ampondra mitondra vesatra. Sary an'i Khamed Najim, fampiasàna nahazoana alàlana Na sarotra aza, io fiainana mifindrafindra toerana iainan'ireo mpiompy io dia mba misy ihany koa ny fotoana maharavo ao anatiny. Mijery ny biby fiompy mijaly noho ny hanoanana sy ny hetaheta nefa tsy afaka mamaly izay tadiavin-dry zareo akory, fa avy eo, fotoana fohy aty aoriana, ny mijery azy ireo miraoka ahitra maintso dia mitondra hafaliam-be ho an'ireo mpiompy mpifindrafindra toerana . Fihetsehampo lalina no ambaran'izany hoe nahavita iraka iray goavana tena nisy nilàna azy . Andian'ondry eo am-pialàna hetaheta. Sary an'i Khamed Najim, fampiasàna nahazoana alàlana Mba hanamaivanana ireny haintany ireny, nandray fepetra ny governemanta ao Nizera mba hiadiana amin'ny firosoan'ny tanihay. Tao anaty ranty iray , ny OpenEdition izay sehatra iray ahitàna ireo boky momba ny siansa sôsialy sy ny  maha-olona dia nanasongadina ireo vokatry ny fandaharanasa “R égénération naturelle assistée (RNA)” – fanohanana ny natiora hihavao” – izay nankatoavina sy napetraky ny fanjakàna ao Nizera: Ao amin'io firenena io, nanomboka tany amina faritra sasantsasany ny dingana, tany antenantenan'ny taona 1980 tany ho any, ary izany no niandohan'ny fanamaitsoana indray, izay ny maridrefy dia nomena ho dimy tapitrisa hektara raha kely indrindra, ary indrindra fa any amin'ireo faritra tena be mponina izay azo lazaina fa ara-bakiteny mihitsy ny ‘nirotsahan’ ireo tantsaha ho any anatin'ireo vala vaovao fanaovana fambolena sy fiompiana, ahitàna hakitroka 20 hatramin'ny 80 hazo isaky ny hektara.
https://mg.globalvoices.org/2023/05/03/163952/
Fatiantoka ara-toekarena nozakain'i Kenya noho ny fijoroana manohitra ny LGBTQ+
2023-05-03T08:29:21
Unknown
Fanaingoana natolotr'i Sydney Allen tam-pitiavana Nosoratan'i Linda Ngari Very vola be i Kenya noho ny fanarahamaso diso tafahoatra nataony an'ireo olona milaza ny tenany ho vehivavy mitia vehivavy, lahy mitia lahy, manana taovam-pananahana roa, nanova fananahana, pelaka na tsy manaraka ny fenitra fiarahana olon-droa tsy mitovy (LGBTQ+).  Ny fitsipika voalohany manandanja indrindra manameloka ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ+ ao amin'ny firenena dia miainga avy amin'ny lalàna famaizana efa talohan'ny fanjanahantany, izay manao izany mifototra amin'ny fotokevitra manjavozavo hoe “fanitsakitsahana mifanohitra amin'ny natiora”. Ny fijoroana tahaka izany dia manohintohina ireo fampiasambola ataon'ny mpandraharaha liberaly izay mihevitra ilay firenena ho feno fankahalàna. Fony lany ho filoha i William Ruto tamin'ny 2022, dia, toy ilay nodimbiasany ihany Uhuru Kenyatta , nandà ny filàna miantoka ny fitovian-jo ho an'ireo mpikambana ao anatin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+. Tao anaty antsafa iray tamin'ny Septambra 2022, nilaza i Ruto fa rehefa lasa olana goavana ao amin'ny firenena ny olana momba ireo olona LGBTQ+, izay vao handray fanapahankevitra ny Keniàna. Nitovitovy tamin'ilay nijoroan'ny filoha fahiny Uhuru Kenyatta tamin'ny 2018, fony izy nilaza fa tsy laharam-pahamehana ho an'ny Keniàna ny fiarovana ny zon'ireo olona LGBTQ+. Rehefa ataon'ireo mpitarika ho toy ny tsy olana ny fanaovana herisetra tsy mitsahatra amin'ireo olona LGBTQ+, dia ho fomba fitondra tahaka izany no hitondran'ny fiarahamonina ireo niharam-panafihana noho ny fironany ara-pananahana na ny nisafidianany ny maripamantarana azy, ary mbola ratsy lavitra aza ny avy amin'ny pôlisy. Araka ny voalazan'ny Gay and Lesbian Coalition of Kenya (GALCK), 53 isanjaton'ireo olona ao anatin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ao Kenya no efa niharan'ny herisetra ara-batana. Vokatr'izay, manilika ireo hafa mety ho mpampiasa vola goavana ny toekarena keniàna izay saika eo ambany fitantanan'ireo tena mifikitra mafy amin'ny fenitra fiarahan'olon-droa tsy mitovy fananahana. Ny fitsipika anatin'ny didy famaizana ary ny fanamafisana azy ataon'ireo mpitarika ara-pôlitika sy milaza ho mpiaro ny soatoavina kristianina no manosika ireo olona LGBTQ+ ho anaty olana ara-pahasalamana sy rarintsaina, tafakatra amina taha avo kokoa raha mitaha amin'ny vahoaka amin'ny ankapobeny. Araka ny GALCK, 29 isanjato monja amin'ireo olona LGBTQ+ no mitoroka ny fanafihana nahazo azy any amin'ny pôlisy satria mazàna no mbola izy ireo indray no mahazo loza. Noho ny fahitàna fa ataon'ireo olona eo amin'ny fitondràna ho tsinontsinona ny zon'izy ireny, dia tsy raharahian'ny pôlisy ny zony ary amaivanin'ny pôlisy ireo fitoriana fanafihana rehefa milaza sy misora-tena ho pelaka ilay niharany. Koa satria i Kenya miomana ny hankalaza amin'ity taona ity ny faha-60 taonan'ny fahaleovantenany, dia fotoana mihitsy izao hamalonana ireo lalàna efa tamin'ny vaninandro fanjanahana fantatra fa natao hiarovana ny fanandevozana sy ny fanavakavahana, ankoatra ireo hafa fanitsakitsahana tafahoatra atao amin'ny zon'olombelona. Ohatra iray amin'ny lalàna taorian'ny fanjanahantany ny  Fanambaràna Erantany momba ny Zon'Olombelona ( UNDHR ) izay nolaniana taorian'ny Ady Lehibe Faharoa. Ny UNDHR, izay mpanao sonia ao anatiny i Kenya, dia mamaritra ireo zo sy fahalalahan'ny rehetra ho tsy misy adihevitra, midika izany fa tsy azo esorina izy ireny na hoe ny mpampiasa no manome azy. Tranga roa vao haingana ny famonoana an'i Edwin Chiloba tamin'ny Janoary tamin'ity taona ity, sy ny an'i Sheila Lumumba tamin'ny Aprily 2022. Chiloba, 25 taona, mpikatroka ho an'ny zon'ny pelaka, dia hita faty tamin'ny 3 Janoary; voalaza fa nokendaina izy ary nohidiana tanaty vata vy. Lumumba, 25 taona ihany koa, dia vehivavy mitia vehivavy nisy nanolana sy namono tao amin'ny faripiadidian'i Nyeri ao Kenya. Taorian'ny nahafaty an'i Chiloba, nirohotana be tao amin'ny Twitter ny tenifototra toy ny hoe #NotOurCulture , nilazàna fa tsy “fanao afrikàna” ny fifanambadian'ny mitovy taovam-pananahana. Ireo Keniàna ireo ihany no manadino fa marobe ny olona nilaza hoe “tsy fanao afrikàna” ny kristianisma, nefa dia arahana be manerana ilay firenena. Indrisy, ny maripamantarana maha-pelaka an'i Chiloba no nifantohan'ilay tenifototra, fa namaivaniny ny tsy rariny mibaribary mahakasika ny famonoana azy an-kitsirano. Ireo toekarena liberaly kokoa, izay manaiky, miantoka ary miaro ny fahalalahan'ny rehetra, dia misarika andiana mpampiasa vola betsaka kokoa. Vokany, lasa singa tena tokony hatsofoka anaty pôlitikan'ny orinasa tsirairay ny pôlitikan'ny fahamaroana, ny fitoviana ary ny fampiatiana ( Diversity, Equality, and Inclusivity – DEI ) ireo olona avy amin'ny LGBTQ+. Ny pôlitika DEI dia mitaky amin'ireo fandraharahàna mba hanao dingana mavitrika hampiatiana ho ao anatin'ny paikadin-dry zareo amin'ny fandraisana mpiasa ireo vondrona natao an-jorom-bàla, no sady miezaka ihany koa miantoka ny fitoviana sy ny hitsiny iraisan'ny rehetra. Araka ny lazain'ny Open For Business , tamin'ny 2010 ireo mpampiasa niditra tamin'ny fampiatiana ny LGBTQ+ dia nahazo tombony  9,1% amboniny noho ny salanisan'ny tsena hatramin'ny 2010. Nahasarika ny fahatokisan'ny mpanjifa sy ireo mpiasa LGBTQ+ ireny mpampiasa ireny. Tatitra iray avy amin'ny kabinetra Deloitte , mpitsirika erantany, no manamarika ihany koa fa mihoatra ny 70 %  amin'ireo mpiasa LGBTQ+ no mihevitra ny tsy hiala amin'ireo efa mpampiasa azy amin'izao fotoana izao. Ny tsy fahavitàna miaro am-pahibemaso ny zo fototr'ireo LGBTQ+ vitsy an'isa dia mety ho sandain'i Kenya hatramin'ny 1,7%  amin'ny harinkarena faobeny. Tao anatin'ny fanadihadiana nataon'ny Open For Business , vondrona iray iraisampirenena manokan-tena ho an'ny fikarohana sy ireo hetsika ho amin'ny fampiatiana ny LGBTQ+, dia 1,7 % amin'ny harinkarena faobe no mitovy amin'ny fatiantoka isantaona amin'ny vola miditra, mety hahatratra 1,3 lavitrisa dôlara , izany hoe 130 lavitrisa KSH eo ho eo. Nozaraina telo ilay 1,3 lavitrisa dôlara amerikàna: very tao amin'ny indostrian'ny fizahantany ny manodidina ny 140 tapitrisa dôlara amerikàna (14,3 lavitrisa KSH) satria firenena feno fankahalàna no fijerin'ny mpitsidika sasany azy; 105 lavitrisa dôlara (10,7 lavitrisa KSH) very teo amin'ny sehatry ny tsenan'ny herim-pamokarana tamin'ny alàlan'ny tsy fisiana asa sy ny zara fa miasa, ary 1 lavitrsa dôlara (105 lavitrisa KSF) no very tao anatin'ny sehatry ny fahasalamàna tsizarizary vokatry ny fitsaratsaram-poana, ny herisetra, ny rarintsaina, ary ireo aretin-tsaina sy aretim-batana hafa. Tsara anefa ny hanamarihana fa nahavita dingana vitsivitsy i Kenya nankany amin'ny fampiatiana ireo olona avy amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+, ary i Nairobi niakatra tao anaty filaharana nomen'ny Open For Business City tamin'ny 2022. Io dia noho ireo tombony azo avy amin'ny hetsika iray matanjaky ny LGBTQ+ izay tsy mitsahatra miasa mba hanova ny fenitra , hanafoana ireo fehezan-dalàna famaizana tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana, hifantohana amin'ny fananganana fanavaozana matanjaka sy sampanan-dàlana ho an'ireo tsirin'orinasa ao an-tanàna. Nahavita dingana niavaka ihany koa i Kenya tamin'ny fanisàna vahoaka 2019 , ka naha-firenena voalohany azy erantany nampiditra ny maripamantarana ny olona “intersex” ho vondrona iray miavaka.  Mbola hetsika iray niavaka ihany koa ilay didim-pitsarana vao haingana navoakan'ny Fitsarana Avo ao Kenya izay nandidy ny fanomezana ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ny zo hanana fikambanana mifanaraka amin'ny fenitry ny Birao Mpandrindra ireo Fikambanana Tsy Miankina amin'ny Fanjakana. Raha toa isantaona mety hahazo 140 tapitrisa dôlara amerikàna (14,3 lavitrisa KSH) i Kenya amin'ny fampiatiana bebe kokoa ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ+, araka ny voalazan'ny Open For Business, rehefa atambatra, ny fampiatiana dia handrisika betsaka ireo tanora mba hijoro amin'ny maha-izy azy, tsy amin-tahotra. Linda Ngari dia mpiandraikitra ny fanoratana ho an'ny African Liberty .
https://mg.globalvoices.org/2023/04/12/163707/
Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, omen'i Bulebe Hangi aina vao ny fiteny Kihunde
2023-04-12T13:03:52
Unknown
Fametrahana fandaharanasa ho fampianarana ny fiteny Kihunde, pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Méthodes Bulebe Hangi Firenena voalohany be mponina indrindra ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay , ahitàna foko mihoatra ny 400 miparitaka manerana ny firenena ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC). Arakaraky ny maha-maro ireo foko no maha-maro ny fiteny: i RDC dia iray amin'ireo firenena manana fiteny marobe ao Afrika, saingy izay fahamaroana izay dia sady tsy misy fanekena no tsy misy fanohanana avy amin'ireo manampahefana eo amin'ny sehatry ny fampianarana. Fantatra amin'ny halehibeny ary ao Afrika Afovoany, RDC no faharoa firenena midadasika indrindra ao Afrika, manaraka an'i Alzeria. RDC no mitàna ny toerana fahatelo be mponina indrindra ao Afrika, aorian'i Nizerià sy Etiopia, misy vahoaka mihoatra ny 112 tapitrisa. Fa ny ankamaroan'ireo fiteny dia iangaran'ny vintana raha milahatra amin'ireo fiteny efatra hafa nekena ho fiteny nasiônaly: ny frantsay, izay fiteny ôfisialy, ny Lingala , ny Swahili , ny Kituba na kikongo ary nye Luba-kasaï na Tshiluba . Tsy mety amin'ny Hangi Bulebe Méthodes io fampihenan-danja ny fiteny avy eo an-toerana io. Hangi Bulebe Méthodes dia teratany kôngôley tena mirotsaka an-tsehatra ao anatin'ny sehatry ny fiarovana ny fahamaroam-pitenenana. Amin'ny alàlan'ilay fikambanana misy azy Congolese Language and Culture Revitalization (CLCR asbl) izay izy no mpandrindra azy, manolo-tena izy hanome aina vao ireo fiteny afrikàna avy eo an-toerana, ka atombony amin'ireo fiteny avy ao amin'ny fireneny. Tao anaty antsafa anaty imailaka nekeny hifanaovana tamin'ny Global Voices (GV) , nofariparitany ny toerana misy amin'izao fotoana izao ireo fiteny avy ao an-toerana ao RDV, ary nohazavainy ny fototra ijoroan'ny tolony. GV: Ahoana ny fandehan'ny fampiasàna ireo fiteny avy ao an-toerana ao RDC? Ampianarina any an-tsekoly ve izy ireny ? Hangi Bulebe Méthodes: Misy fiteny maherin'ny 450 eto amin'ny firenenay. Fa ao anatin'ireny fiteny rehetra ireny, efatra monja no ampianarina any an-tsekoly: ny Lingala, ny Swahili, ny Kikongo ary ny Tshiluba. Sady izao koa, ireo fiteny efatra ireo irery ihany no hany heverina ho fiteny nasiônaly nefa tokony hisitraka tahaka izany zo izany ihany koa ireo fiteny hafa. Tsy mahazo alàlana any an-tsekoly ireo fiteny hafa, izay araka ny hevitro, dia endrika irain'ny fanjanahana vaovao . Ny fanontaniana mipetraka dia hoe nahoana, farafaharatsiny any amin'ireo vohitra izay ny olona rehetra miteny fiteny iraisana daholo, no tsy ho afaka omena alàlana ny mpampianatra mba hampita fahalalàna vitsivitsy amin'ny alàlan'ny fitenin'ilay vohitra. Ny ankamaroan'ireo fiteny ao an-toerana ao RDC no mirona mankany amin'ny fanjavonany noho ny fanarahana vaninandro maoderina, ny fivavahana, ny fandratoana fahaizana, ary ny ady miverimberina ( Ady voalohany tao Kôngô , Ady faharoa tao Kôngô ary ny Ady tao Kivu ) izay mitondra mankamin'ny fiparitahan'ny fiteny sy ny kolontsaina. Topimaso amin'ny sora-tanan'i Kihunde, pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Méthodes Bulebe Hangi GV: Avy amin'ny firotsahanao, inona marina no tena ataonao mba hampiroboroboana ireo fiteny avy eo an-toerana? Hangi Bulebe Méthodes: Raha ny marina, ny firotsahako sy ny fahatapahankevitro hiady ho an'ireo fiteny avy eo an-toerana no nanosika ahy hanorina ny fikambanana Congolese Language and Culture Revitalization (CLCR asbl) izay izaho no mpandrindra azy. Amin'izao fotoana izao, ifantohanay ny  momba ny fiteny Kihunde . izay ao anatin'ny fianakavian'ny fiteny bantoues . Nametraka izahay tetikady, namorona ivontoerana fampianarana mamaky teny sy manoratra ary fianarana io fiteny io. Miaraka amin'ilay fikambanana, ampidirinay miandalana ilay fiarahamonina ho ao anatin'ny fanomezana aina vao ireo fiteny eo an-toerana, indrindra fa amin'ny alàlan'ny antontan-kevitra. Sady manaja ny kolontsaina sy ny fombandrazana eo amin'ny foko tsirairay, hetsehanay sy entaninay ny olona hiteny ny fitenin-dry zareo, tsy an-tery. Miasa izahay mba hanaisotra ireo fotokevitra “natsindrona” taminay sy manery anay hihevitra hoe mainty toa azy daholo izay rehetra ataon'ny olona afrikàna. Voatery izahay mandray betsaka ho anaty kajikajy ireo fiteninay sy ny kolontsainay. Ity misy lahatsary iray maneho ny fampianarana ny fiteny Kihunde. Afaka re ao anatiny ny feo sy ny fanononana ny voanteny: GV: Inona no anjara toerana raisin'ny fitaovana nomerika ao anatin'ny fampiroboroboana ny fiteny avy ao an-toerana ao RDC? Hangi Bulebe Méthodes: Manampy betsaka anay amin'ny firotsahanay an-tsehatra ho an'ireo fiteny ny fitaovana nomerika. Ampiasainay ireo sehatra nomerika, ary indrindra fa ny tambajotra sôsialy toy ny Facebook, WhatAapp, Twitter, Telegram, Instagram mba hifandraisanay amin'izao tontolo izao sy hampahafantaranay ny zavatra ataonay. Manana vondrona izahay, sy pejy any anatin'ireo tambajotra isankarazany izay ahafahanay manapariaka mora foana ny torohay momba ny fiteny. Amin'ny alàlan'ireo ranty alefanay anaty tambajotra, misy manomboka mianatra ny fiteny Kihunde ny olona. Araka izany, ny nomerika dia tena mandray anjara koa amin'ny ampahany amin'ny fanatratraranay ny tanjonay. Ranty iray amin'ny fiteny Kihunde ao amin'ny kaonty Twitter an'ny Hangi Bulebe Méthodes: 1.TÁTA WOLI MU MBINGU Tata woli mu mbingu Aretsina rawe likomibwe, Abwami bwawe buhike, Areshasha rawe libererere, Kwa kihuo ngakuno mû Mbingu, Utuhe abiryo byetu bya kinsi mubitsi Utushashire abibi byetu , Nga kwetunashashira bobanatuhemukira . Utatuhiraa mû mixóno Hé niwatuufu — Méthodes Bulebe Hangi (@hangi_bulebe) December 26, 2022 GV: Inona no tsy maintsy atao mba hahafantaran'ny rehetra ireo fiteny avy eo an-toerana ao Afrika? Hangi Bulebe Méthodes: Fantatro fa miady an-trano ireo fiteny eo an-toerana any amin'ireo firenena rehetra ao Afrika ka ny iray matanjaka no mitelina ny iray. Nefa tena resy lahatra aho fa raha misy asa iray matotra atao ho an'ireo fiteny isankarazany ananantsika, miaraka amin'ny fanohanan'ireo manampahefana, na io avy eo an-toerana, na io eo amin'ny sehatra nasiônaly, ho fantatry ny rehetra tsikelikely ireo fiteny sasantsasany avy eo an-toerana. Saingy amin'izao ora iresahantsika izao, mbola lavitra ny làlana ary mbola betsaka ny asa tokony hatao.
https://mg.globalvoices.org/2023/03/31/163506/
Ao Tôgô, fo mamelona ny renivohitra ny tsena lehibe ao Adawlato
2023-03-31T07:04:41
Unknown
Iray amin'ireo làlantsara mampiantrano ireo mpivarotra vokatra samihafa. Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana Tsy sampanan-dàlana fotsiny ho an'ny ara-toekaren'i Tôgô ny tsenan'i Adawlato, fa maneho ihany koa ampahany manandanja amin'ny lova ara-tantaran'i Lomé renivohitra. Adawlato dia isan'ireo tsena lehibe miisa 15 ao amin'ilay zana-paritra andrefan'i Afrika ary mipetraka eo amin'ny laharana faharoa, aorian'ny tsenan'i Dantokpa ao Benin, heverina ho ny tsena lehibe indrindra ao amin'ilay zana-paritra.  Eny tokoa, io dia tsena hita eo akaikin'ny Seranana Mizakatenan'i Lomé, hany seranan-tsambo anaty rano lalina ao Afrika Andrefana, izany no manazava ny antony maha-stratejika ny anjara toerany ao amin'ny faritra. Araka izany, mandeha mankany Adawlato mba hanao fandraharahàna ireo mpivarotra madinika sy goavana avy amin'ireo firenena mpiray sisintany toa an'i Ghana, Bénin, Borkina Fasô. Ireo vehivavy mpivarotra ao amin'io tsena io, izay antsoin'ny maro hoe “ Nana Benz ”, no tena fototry ny laza iraisam-pirenen'ny tsenan'i Adawlato. Hoy ny Wikipedia: Ireo “Nana Benz” dia vehivavy mpandraharaha, avy ao Tôgô, navitrika tany amin'ny taona 1960 hatramin'ny 1980 tamin'ny fampidirambola avy amin'ny famarotana sikina hôlandey. «Nana » dia fomba fiteny feno fitiavana sy mahazatra avy amin'ny hoe na (na ena ), amin'ny fiteny minan ( na Gen ), any atsimon'i Tôgô, izay toerana niavian'ny ankamaroan'ireo “Nana Benz”. Fotokevitra nentina nanasokajy ireo reny ihany koa izy io, izay midika hoe « neny » na « nenibe », niala tamin'ny sehatra anaty fianakaviana nisy azy tany am-piandohana mba ho entina maneho fanajàna sy fahalalampomba noho ny toerana sôsialy misy an-dry zareo. Fiara Mercedes-Benz no fitondran-dry zareo mivezivezy. Rehefa nifandimby ny taona, lasa habaka iray tsy azo lalovam-potsiny io toerana io, mahita toerana ao daholo ny sehatr'asa rehetra anatin'ny tsena.  Sikina, lamba, akiraro, vàkana, rojo, famantaranandro, voankazo, legioma, samy amidy ao avokoa. Vondrom-piarahamonina isankarazany no mifampizara ny fandraharahàna ao: Shinoa, libaney, miozolmàna, afrikàna avy amin'ireo firenena mpiray vodirindrina. Ny faritry ny tsenan'i Adawlato izay misy ireo kiraro kapakapa (izay mamela ny faritra sasany amin'ny tongotra ho hita maso) avy amin'ny kalitao ambanimbany ao Ghana, Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana Isan'ny asa ara-barotra ataon'ireo vehivavy tôgôley ihany koa ny fivarotana vakana, araka ny hita amin'ity magazay iray ity, ao amin'ny faritra Agbadahonou ao amin'ilay tsena lehibe. Toerana misy ny varotra vakana ao Agbadahonou, ao amin'ilay tsena lehibe, Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana Ankoatra ny vakana, dia hita ao koa ireo zavakanto avy ao amin'ny faritra antsoina hoe “Gôlfa”. Eto, santionan'ireo zavakanto tôgôley sy afrikàna no tazana. Sarin'ny faritra antsoina hoe “Gôlfa”, toerana ao amin'ilay tsena lehiben'i Lomé natao hivarotana ireo zavakanto Lomé, Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana. Ny tsena dia voarindra ho làlantsara kely maro mitondra mankany amin'ireo habaka samihafa voatokana arakaraky ny vokatra. Eto izao dia ny làlantsara mankany amin'ny faritra antsoina hoe “Gôlfa” Sarin'ny làlantsara mitondra mankany amin'ny faritra antsoina hoe “Gôlfa”, Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana Amin'ny ankamaroany dia ireo vondrom-piarahamonin'ny vahiny sy ny miozolmàna no mitàna ny resaka varotra lamba ao amin'ilay tsena lehibe. Ny habaka ivangongoan'ny varotra lamba, Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana Toerana iray hafa fivarotana lamba: Fampirantiana lamba, Sary an'i  Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana Ao amin'ny tsena lehiben'i Lomé, ahitanao akanjo, kiraro avo razana ao amin'ny habaka Hollando izay ry zareo Nizeriàna no tompon'ny laka. Ny tranoben'ny habaka Hollando, Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana Talantalan'ireo kiraro ao amin'ny habaka Hollando, Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana Mitàna anjara toerana lehibe ao amin'io tsena io ireo vehivavy mpivarotra voankazo sy legioma noho izy ireo manome fahafahana ny fianakaviana hividy vokatra vao sy mora vidy. Ireo vehivavy mpivarotra legioma ao anatina tsena kely iray hafa natokana ho azy ireo, Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana Vehivavy mpivarotra mananasy manoloana ny talantalan-dry zareo ao amin'ilay tsena kely fivarotana voankazo sy legioma. Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana Ampahany amin'ny tantara tôgôley 25 Jolay 1967, n otokanan'ilay filoha efa nodimandry, Eyadema Gnassingbé, rain'i Faure Gnassingbé, filohampirenena amin'izao fotoana izao, io tsena io dia mitahiry fifamatorana manokana amin'ny tantaran'ny fanjanahantany tao Tôgô. Hita ao amin'ny faritra misy azy ny trano isan'ny voalohany indrindra an'i Eglizy Katôlika ao Tôgô, ny katedralin'ny Sacré Cœur, naorina tamin'ny 1902 , nataon'ireo misionera alemàna avy amin'ny kaongregasiôna Fikambanan'ny Tenin'Andriamanitra . Katedraly Sacré Cœur ao Lomé, tranobe voalohany an'ny Eglizy KAtôlika ao Tôgô. Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana Ilay habaka ara-barotra dia mampiantrano ihany koa ao amin'ny faritra misy azy ny toeram-pianarana voalohany indrindra mitondra anarana mitovy amin'ilay katedraly ihany. Kôlejy Ambaratonga Faharoa Fototra sy Teknika Sacré Cœur ao Lomé, toeram-pianarana miankina amin'ny finoana, an'ny Eglizy Katôlika ao Tôgô. Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana Indrisy anefa, tamin'ny Janoary 2013, nisy afo nandrava ireo tranobe manan-tantara tao amin'ny tsena Adawlato. Taona vitsivitsy taty aoriana no natomboka ny fanarenana azy, saingy mbola an-dalam-panamboarana foana izao ilay toerana. Eto, tranobe iray vaovao an-dalam-panorenana ao anatin'ny tsena lehibe ao Lomé Tranobe iray vaovao an-dalam-panorenana ao anatin'ny tsena, Sary an'i Jean Sovon, fampiasàna nahazoana alàlana
https://mg.globalvoices.org/2023/03/29/163470/
Global Voices mitady toniandahatsoratra ho an'ny faritra Afrika mampiasa sy miteny anglisy ao atsimon'i Sahara
2023-03-29T06:45:36
Unknown
Tsenan'i Nairobi. Sary an'i Filip Noubel, fampiasàna nahazoana alàlana Raha “eny” no havalinao io fanontaniana etsy ambony io, azonao atao ny mieritreritra hisoratra anarana hitazona ny toeran'ny Toniandahatsoratry ny Faritra Afrika mampiasa sy miteny anglisy ao atsimon'i Sahara. Samy ho andraikitry ny Toniandahatsoratry ny Faritra ny famoahana ireo tantara nosoratan'ireo mpandray anjara mpirotsaka an-tsitrapo ato amin'ny Global Voices sy fanoratàna tantàra momba ny faritra. Ireo tantaran'ny Global Voices dia mifantoka amin'ireo lohahevitra toy ny kolontsain'ny aterineto, ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra anaty tambajotra, ny teknolojia sy ny zo nomerika, ny zon'olombelona, ny fahasamihafàna sy ny fisoloana tena, ary ny fahasamihafàm-pitenenana. Ny Toniandahatsoratry ny Faritra koa dia hiasa miaraka amina vondrom-piarahamonina iray marolafy misy ireo mpandray anjara izay manoratra ireo tantara, mizara hevitra ho an'ireo tantara, ary mametraka ny fandaharam-potoanan'ny famoahan-dahatsoratra ho an'ilay faritra, amin'ny alàlan'ny fanolorana hevitra, fizaràna fahalalàna, ary fanomezana fitarihana. Hita ao anatin'ny asan'ny Toniandahatsoratra ny: fitarihana ny fampivoarana ny tarika tomponandraikitra amin'ny alàlan'ny fanaovana tatitra momba ireo firenena miteny sy mampiasa teny anglisy ao Afrika atsimon'i Sahara fanoratana, fanamarinana ny zava-misy ary fikiràna ireo tantara manasongadina ireo olana tena mavesa-danja sy mahasarika indrindra avy amin'ireo loharano an-tambajotra manana ny lanjany ao amin'ny faritra fanohizana ny fitazonana ny toerana voalohany amin'ny famolavolàna tantara, buzz (fambolena laza) sy fironana manerana ireo media sôsialy sy ny median'olontsotra ao amin'ny faritra famolavolàna angondrakitra iray ahitàna ireo loharano azo antoka sy voamarina eny anaty tambajotra manerana ny faritra fanamoràna ny fivoriana virtoalin'ny trano famoahan-dahatsoratra mba hanangonana sy handrafetana ireo hevitra, ary fitarihana momba izay mitranga ao amin'ny faritra fanatrehana fivoriana sy fandraisana anjara amin'ireo adihevitra iarahan'ny mpiaramiasa avy amin'ny efitranom-baovaon'ny Global Voices sy ireo sakelika hafa Fiarahana miasa akaiky amin'ireo media mpiara-miombona antoka mba hisafidianana sy hamerenana manavao ireo tantara arafitra hifanaraka amin'ny mpanjohy erantany, ary fampiroboroboana sy famerenana mamoaka ireo tantaran'ny Global Voices any amin'ireo tranonkala mpiara-miombona antoka. fijanonana hanolo-tena hiaraka amin'ny efitranom-baovaon'ny Global Voices sy ny vondrom-piarahamonina midadasika kokoa mba handray anjara amin'ireo tetikasa iraisam-paritra fiasàna mifanaraka amin'ny iraka sy kolontsaina ary taridàlan'ny vondrom-piarahamonina Global Voices sy ny matoandahatsoratra Ireo kandidà tafita amin'ilay toerana dia tsy maintsy : manana traikefa fahaizana miteny misosa tsara, manoratra, ary mifampiresaka amin'ny teny anglisy manana fahaizana voaporofo amin'ny fikarohana sy fanoratana ny vaovao afaka manoratra amin'ny fomba manetsi-po sy fahatakarana tsara momba ireo olana eo an-toerana mba ho an'ny mpanjohy erantany manana fahafantarana tsara ireo olana mifandraika amin'ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny anglisy ao Afrika atsimon'i Sahara, ary mahay mandanja tsara ny matoandahatsoratra momba ireo olan'ny faritra manana fahatakarana tsara ireo median'olontsotra, ny media nahazatra, ny fihetsiketsehan'ny  gazety eo an-toerana sy ny media sôsialy, isan'izany ny fahalalàna izay media sôsialy sy ireo feon'ny olompirenena azo itokiana ao amin'ny faritra mahafantatra ny zo nomerika, ny fahalalahana maneho hevitra, ny olana mifandraika amin'ny fikatrohana ary ny fahavitrihana ao amin'ny faritra mahazo aina miaraka miasa amin'ny hafa ao anatina tontolo iray tsy voarindra ara-drafitra, tontolo virtoaly tanteraka manana fahaizana avo lenta momba ny fampiasàna solosaina. manana fahafaha-miditra azo antoka amin'ny fifandraisana aterineto haingam-pandeha. afaka manokana ora 10-15 isankerinandro ho an'ny asan'ny Global Voices afaka manaporofo fandavantena lehibe manoloana ny iraka sy soatoavin'ny Global Voices Hosafidiana manokana ireo mpirotsaka ka mahay ireo fiteny ampiasaina ao Afrika mampiasa sy miteny anglisy ao atsimon'i Sahara. Global Voices dia fikambanana virtoaly ary maneran-tany. Ny milina manodina ny efitranom-baovaon'ny Global Voices dia tarika iray ahitàna ireo toniandahatsoratra miasa amin'ny ampaham-potoana izay miasa miaraka amin'ireo mpandika lahatsoratra sy mpirotsaka an-tsitrapo manerana ny tany mba hanasongadina ireo tantara sy fomba fijery izay tsy dia misy mpiteny eny anatin'ny media iraisampirenena nahazatra. Tsy misy fepetra ara-jeôgrafika mifamatotra amin'ireo toerana ireo.  Ny Global Voices dia tsy manana birao na foiben-toerana hita maso. Tsy maintsy mahazo aina amin'ny fametrahany ny fandaharam-potoanany manokana sy miasa anaty tontolo virtoaly tanteraka ireo kandidà Tena mahafaly anay tokoa raha mirotsaka ho kandidà ireo efa mpandray anjara ankehitriny ato amin'ny tetikasa Global Voices.. Tapa-potoana no iasàna amin'ilay toerana ary hatao toy ny fifanarahana asa amin'ny mahaleotena (freelance). Raha hirotsaka: Mametraha famintinana fohy sy taratasy filazana fahavononana voasoratra tamin'ny fiteny anglisy ary manasongadina ny asanao sy manazava ny antony mahatonga anao hihevitra fa ianao ilay olona tsara handray io toerana io, alefa amin'ny jobs@globalvoices.org , ka antony soratana ny hoe: Toniandahatsoratra ho an'ny Faritra Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara: ny anaranao . Azafady, ataovy taratasy ampanarahina amin'ny endrika a .doc na .pdf ilay taratasy filazana fahavononana, ankoatry ny fampidirana azy io ao anatin'ny vataben'ny imailaka alefanao. Ny fetra faran'ny firotsahana dia ny 14 Aprily 2023 amin'ny 11:59pm EST (GMT -4) .
https://mg.globalvoices.org/2023/04/17/163735/
Fampiasàna indray ireo tavoahangy sy tavoara plastika ao Burundi : mbola lavitra ny làlana
2023-04-17T03:04:39
Unknown
Sary an'ny tranonkala www.ibihe.org, nahazoana alàlana Ao anatin'ny fifanekem-piarahamiasa amin'ny www.ibihe.org dia naverina navoaka eto amin'ny Global Voices ity lahatsoratra ity . Ny lahatsoratra niandohana dia azo jerena ao amin'ny tranonkala Ibihe.org . Telo herinandro mialoha ny fandraràna ireo tavoahangy sy tavoara plastika notsimponina, azo lazaina ho tsy misy ny pôlitika fanangonana tavoahangy sy tavoara plastika any amin'ireo orinasa borondey. Averina ampiasaina indray ny sasany amin'ireo fonosana, tsy misy fanajàna ny fenitry ny fahadiovana, ny sasany mihahaka eny amin'ny tany, araka izany dia miteraka ambana ara-pahasalamana ho an'ny daholobe sy ny tontolo iainana . Mandalo isanandro i Thierry Nahimana, mpanangona ireo tavoahangy mitondra kitapo-babena, mitety ireo toeram-pivarotana ao Nyakabiga, kaominina Mukaza, Faripiadidian'i Bujumbura, renivohitra ara-toekaren'i Burundi. Anontaniany ireo tompona toeram-pivarotana raha nitahiry tavoahangy nisy ireo zavapisotro vokarin'ny MERU Investments, orinasa iray mpamokatra zavapisotro tena be alikaola, ary vidiany izy ireny. Nanomboka tamin'ny nahafantaran'ireo mpivarotra fa azon-dry zareo amidy indray ireo tavoahangin'ny MERU, niova ny fomba fijery. Mbola misy atao raha ny resaka fanangonana tavoahangy . Manomboka liana amin'izy io ireo tanora sasany . Mifaninana rahateo ry zareo amin'ny fanangonana ireo tavoahangy marika MERU. Izay tonga aloha no toloran'ireo toeram-pivarotana ny vokatra avy aminy, na izay mahasahy mividy lafo raha sendra mifanena ao ry zareo . Androany aho mividy an'io tavoahangy io, indraindray 400 FBu (0,192 dôlara amerikàna) dia averiko amidy 500 FBu (0,2401 dôlara amerikàna) amin'ny orinasa MERU. Alohan'ny hitomboan'ny filàna tavoahangy marika MERU, miovaova ny vidiny, eo amin'ny 300 hatramin'ny 350 FBu (0,144 sy 0,168 dôlara amerikàna), hoy i Thierry. Mitombo be isanandro ny filàna tavoahangy marika MERU. Na ao anatin'ny firenena ihany aza, indrindra fa ao amin'ny faritany Rumonge (ao atsimo-atsinanan'i Burundi, miala 72 km an'i Bujumbura , ilay renivohitra fahiny ) dia hita matetika ny fanangonana ireo tavoahangy marika MERU. Hoy i Jean Marie, iray hafa mpanangona ihany koa, ny vidin'ireo tavoahangy dia miovaova eo amin'ny 200 hatramin'ny 250 Fbu (0,096 sy 0,12 dôlara amerikàna). Manamarina izy : Mba hahazoana tombony avy amin'io fanangonana io, tavoahangy miisa 1.000 eo no angoniko alohan'ny handehanana mankany Bujumbura hivarotra azy ireny indray. Any aminay ao Rumonge, indraindray ny olona tonga any an-trano mivarotra azy ireny amiko. Tsy hita mihahaka eny amin'ny tany toy ireo tavoahangy hafa ny tavoahangy marika MERU . Ao amin'ny tsenan'ny tavoahangy ao Ngagara (ao Bujumbura) izay toerana famokaran'ny MERU Investments ny zavapisotrony, nivaky i  Thierry Nahimana fa efa nifanena tamin'ireo mpivarotra tavoahangy MERU avy amin'ny faritany hafa, toa an'i Muramvya, sns… Raha ny filazan'i Thierry Nahimana izay efa niasa tao amin'ny orinasa MERU Investments, dia averin'io orinasa io ahodina ireo tavoahangy alohan'ny hamerenany mampiasa azy ireny indray. Ankoatra ny varotra, napetraky ny orinasa MERU ny pôlitika iray mahomby amin'ny fitantànana ireo tavoahangy naparitany, amin'ny fividianana azy ireny indray amin'ireo mpanjifany rehefa avy nandalo an'ireo mpanangona azy. Pôlitika izay tsy tao an-tsain'ny ankamaroan'ireo orinasa borondey . Mahita ny anjarany ao anatin'io ihany koa ireo tanora, ao anatin'ny firenena iray izay maharesy ny tarehimarika rehetra ao Afrika Atsinanana ny tahan'ny tsy fanànana asa ao aminy. Manary fako eny rehetra eny: fomba fanao mahazatra ao Burundi Mifanindran-dàlana amin'izay, mbola tohizan'ireo Borondey hatrany ny fanipazana tavoahangy sy tavoara plastika eny rehetra eny, avy amin'ireo marika hafa. Indrindra fa any anaty tatatra . Jean Noël, nifampiresahana tao Bwiza, tanàna kely malaza ao amin'ny kaominina Mukaza, faripiadidian'i Bujumbura, dia nanipy ny tavoahangy plastika teny aminy ho eo amin'ny toerana akaiky azy teo. Ho azy, ny tsy fisian'ny dabam-pakom-pokonolona no mamanarina ny fihetsiny. Fomba fanao mahazatra ao Bujumbura io, hatrany amin'ny faritany koa. Noho ny tsy fisian'ny politikan'ireo mpamokatra azy ho fanodinana azy ireny indray dia mitsindrahaka eny amin'ny tany ireo tavoahangy sy tavoara plastika. Tamin'ny Oktôbra 2020, nilaza ny ministeran'ny tontolo iainana fa izay olona manary ireny fonosana ireny eny rehetra eny dia ho ampandoavina lamandy 2 000 hatramin'ny 5 000 FBu (0, 9602 hatramin'ny 2, 4006 dôlara amerikàna) . Raha olombelona môraly (orinasa), dia lamandy eo anelanelan'ny 50 000 sy 100 000 FBu (24,0059 hatramin'ny 48,0118 dôlara amerikàna). Taorian'ireny fepetra ireny, ny fanjakàna, ireo orinasa tsy mainkina ary ireo ONG, dia namatsy fitaovana ny tao afovoan-tanànan'i Bujumbura, nanome dabam-pakom-pokonolona. Kanefa tsy nahasakana ireo Borondey izany tsy hanary ny tavoahangy sy tavoara plastika eny anaty tatatra . Ankoatra izany, tsy nampiharina velively ireny fepetra ireny, nefa ny fonosana plastika iray dia mila 100 hatramin'ny 400 taona vao levon'ny natiora. Araka ny nambaran'ny manampahaizana ara-tontolo iainana , Célestin Nkunzimana : Tsy maintsy ilaina ny fanentanana faobe ny vahoaka momba ny fitantànana ireo tavoahangy sy tavoara plastika. Any amin'ny faritany, sava-tsarobidy ireo dabam-pakom-pokonolona Zava-tsarobidy ho an'ireo tanàna lavitra andriana sy ireo faritany ao amin'ny firenena ny dabam-pakom-pokonolona. Miova ho dabam-pakom-pokonolona ny tatatra . Manerana ny firenena, tsentsin'ireo karazam-pako samihafa izy ireny . Tsy ela dia hita ny fiantraikany. Isaky ny mirotsaka be ny orana, zava-mahazatra ao amin'ny afovoan-tanànan'ny fari-piadidiana ao Bujumbura ny tondradrano. Lasa tsy azon'ireo mpandeha an-tongotra sy fiara aleha ny làlana . Ho an'ilay manampahaizana ara-tontolo iainana, Célestin Nkunzimana : Ireny tondradrano ireny dia vokatry ny fahatsentsenana aterak'ireo karazam-pako isankarazany lasa anatin'ireo tatatra mpanary ranon'orana. Araka izany dia tsy maintsy mitady làlana hizorana ireny rano ireny rehefa tsentsina ny làlany, ireo tatatra . Raha entin'ny rano noho ny fahasimban'ny nofontany ireny fako plastika ireny, dia hiafara ao amin'ny farihy Tanganyika . Eny amin'ny moron'ilay farihy , miparitaka eny rehetra eny ireo fako plastika. Ohatra, ao Kumase ( tsy lavitra ny farihy Tanganyika ), ao amin'ny vohitr'i Ngagara, mivangongo be tokoa ny fako plastika. Araka ny voalazan'ny Banky Iraisam-pirenena, isantaona izao tontolo izao dia manary fako plastika monisipaly milanja 2 lavitrisa taonina. Hahatratra 3,4 lavitrisa taonina io amin'ny 2050. Amin'ireo fako 630 taonina vokatra isanandro ao Bujumbura, manodidina ny 51 taonina amin'izany no fako plastika. Kanefa hatramin'ny anio dia mametraka olana ny fomba fitantànana azy . Tamin'ny 2018, namoaka lalàna ny filoha borondey nandràra ny famokarana, ny fanafàrana, ny fitahirizana, ny famarotana ary ny fampiasàna izay rehetra harona plastika sy fonosana hafa vita tamin'ny plastika. Ny andininy faha -7 amin'io didim-panjakana io dia milaza hoe : Ireo fako plastika, isan'izany ny tavoahangy sy tavoara plastika dia miverina mankany amin'ireo mpamatsy izay hiantoka ny fitahirizana, ny fanodinana sy ny fanomezan-danja indray azy ireny. Tsy manangona azy ireny ireo nandefa ireny fako plastika ireny. Ny mifanohitra amin'izay aza . Ny olontsotra no manangona azy ho asiana ireo vokatra mitsiranoka, toy ny menaka voanio sy avy amin'ny landihazo, ary ireo orinasa hafa mpamokatra zava-pisotro mba hamonosan-dry zareo indray ny vokatra avy amin-dry zareo . Fonosana notsimponina, loharanon'aretina henjana be? Ho an'i Severin Sindayikengera, tale jeneralin'ny biraon'ny fampanaraham-penitra ao Burundi: Raha herinandro no hitahirizana menaka voanio ao anaty tavoara notsimponina, hivadika iny vokatra iny, satria ireny taovara ireny tsy voadio araka ny fenitra ara-pahasalamàna akory. Mbola io tale io ihany no milaza fa ireo tavoara plastika dia loza mitatao ho an'ireo mpanjifa, arakaraky ny natioran'ireo vokatra. Loza izay tonga hatramin'ny fahazoana ireo aretina henjana be, toy ny homamiadana . Ho an'i Ir. Désiré Rudaragi, manampahaizana manokana amin'ny fiarovana ara-pahasalamana ny zava-pihinana : Matetika ireo fianakaviana manjifa vokatra nofonosina tanaty fonosana tsy voadio no tratry ny aretina. Araka izany dia lany any amin'ny hôpitaly ny fotoana tokony holaniany any am-piasana, ary ampiasaina ho an'ny fikarakaràna fahasalamana ireo tahirin'ny ankohonana , sns… Raha fintinina, mitontongana ny toekeran'izy ireny. Voaràra manerana ny firenena, nanomboka ny 26 Febroary 2023, ny endrika rehetra famerenana mampiasa indray ireo fonosana plastika notsimponina. Nomena enina volana ny rehetra hanovàna ireo fonosana. Ny fanamby goavana dia ny fomba fanaon'ireo borondey mpivarotra izay miandry hatrany ny fotoana farany vao mampihatra io fepetra io .
https://mg.globalvoices.org/2023/04/10/163384/
Mozika borkinabe, fitaratry ny fisokafan'ny firenena amin'ny fanontoloana
2023-04-10T13:33:50
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ilay mpanakanto Smarty, mijoro eo anilan'ny sarivongan'i Thomas Sankara Ao Burkina Faso, azo itarafana ny dindo panafrikàna, ny avy amin'ireo zanaka am-pielezana ary ny iraisampirenena ny fivoaran'ny tontolon'ny mozika, ary manome toerana ho an'ny fahamaroan-karazana sy fiangaly izay nitondra ho amin'ny fahombiazany. Iray amin'ireo goavana manamarika ny mozika burkinabe ilay mpihira Amadou Balaké (1944 -2014), noheverina hatry ny ela ho  ny iray amin'ireo goavana mpihira tao amin'ny fireneny, ary avy amin'ny dingana nolalovany, dia maneho tsara mihitsy ireo fiovàn'ny tontolon'ny mozika. Tao anatin'ny karazany nentindrazana izy no nanomboka ny asany, tamin'ny fiteny mandé sy mossi , avy eo naka ny salsa afrô-kiobàna avy amin'ilay tarika senegaly Africando . Io karazana fifangaroana mozika nentindrazana sy maoderina io no mitohy mitantana ny mozika borkinabe hatramin'izao andro iainantsika izao. Tsy dia malaza loatra eo amin'ny sehatra iraisampirenena toy ilay an'i Mali, kanefa ny mozika borkinabe dia feno karazana mozika ôrizinaly naka ny aingam-panahiny avy amin'ireo fombandrazana sy fitenin'ny vahoakany. Ny mooré izay fiteny ampiasain'ny vahoaka mossi (52% amin'ireo olona ao afovoan'ny firenena) no tena miasa be indrindra any anatin'ny mozika borkinabe. Ireo fiteny hafa toy ny Gur dia ampiasain-dry zareo Gurunsi , Gurma , Dagaaba sy Lobi ao atsimon'ny firenena; ny peul dia any avaratra no ampiasàna azy, ary ny mandé dia fiteny any amin'ireo Samo , Bissa , Bobo , Sénoufo sy Marka; samy mandray anjara daholo izy rehetra ireo mandrafitra ny lova ara-mozikan'ny firenena. Yonko , beatmaker sady mpakasary, manipika ny anjara toerana lehibe tànan'ireo fiteny ao an-toerana ao anatin'io mozika io: A votre avis est-ce qu’aujourd’hui on a une chance un temps soit peu de se faire remarquer dans la musique burkinabé (plus précisément le rap) sans forcément passer par les langues locales? A mon humble avis non, en tout cas… — Yonkō (@AAsHbeats) July 18, 2021 Raha ny hevitrao dia mety hisy vintana ve amin'izao fotoana izao, na dia kely monja aza, mba hisongadinana ao anatin'ny mozika borkinabe (resahana manokana amin'izany ny Rap) ary tsy voatery handalo amin'ireo fiteny avy ao an-toerana? Raha ny hevitro dia tsia, mazava loatra.. — Yonkō (@AAsHbeats) 18 Jolay 2021 Io fahamaroana ara-poko sy io fifangaroan'ny fiteny io no nahafahan'ilay firenen'i Thomas Sankara, filohan'i Burkina Faso ny 1983 hatramin'ny 1987, nahita làlana iray hitrandrahana maripamantarana ara-mozika marolafy . Ireo mpisava làlana Marobe ireo mpanakanto sy tarika mpanakanto mirotsaka amin'ny fampivoarana sy fampahafantarana ny mozika Vôltaika ( ilazàna an'i Haute Volta , anarana fahiny nentin'i Burkina Faso fony vanimpotoana fanjanahantany). Ireny tarika sy mpanakanto ireny no nanoratra ireo pejy tsara indrindra tamin'ny tantaran'ny mozikan'ilay firenena : Amadou Balaké, Georges Ouédraogo, Joseph Moussa Salambéré, Mangue Konde & le Super Mandé, ny Orkesitra  Volta Jazz , ny Orkesitra Harmonie Voltaïque , ny Orkesitra C.V.D. , Tidiani Coulibaly & Les Dafra Stars , Sandwidi Pierre ary Simporé Maurice . Ity rakitsarin'i Georges Ouédraogo ity no vavolombelon'io lova io: Andian-taranaka vaovao mitodika mankany amin'ny vaninandro maoderina Eo anelanelan'ireo mpisava làlan'ny mozika borkinabe sy ireo mpanakanto ao anatin'ny andian-taranaka vaovao, hita misy fivakisana ihany. Nipetraka ireo fironana mankany amin'ny vaninandro maoderina, na izany teo amin'ny sehatra afrikàna, na amin'ny erantany, ary nitondra angovo vaovao tany amin'ny andian-taona 1980s sy 1990s tany, tamin'ny nampidirana ireo feon-gadona vaovao.  Ny afro-zouk , ny reggae sy ny gadona maro hafa dia tonga naka toerana teo ambany fitarihan'ireo anarana toy ny an'i Amity Meria , Bil Aka Kora , Solo Dja Kabako, Idak Bassave sns… Nanampy an'ireo ny fironana hip-hop, rap, R&B niaraka tamin'ireo tarika toy ny Sofaa , Kouma Kan , Clepto-Gang, Yeleen ary ireo mpankanto toa an'i Smarty , mpikambana fahiny tao anatin'ny tarika Yeleen. Ao anatin'ity lahatsary ity, ny mpanakanto Smarty dia manao antso ho fahatongavantsaina iraisan'ireo Borkinabe: Ny zouk sy ny coupé-décalé ivoariàna dia tafiditra ihany koa ao anatin'ireo karazana mozika nisy fiantraikany tamin'ny andian-taranaka vaovaon'ireo mpanakanto borkinabe. Hoy ny Wikipedia : Ny coupé-décalé dia karazana mozika iray teraka tany amin'ny fiandohan'ny andian-taona 2000 teny anivon'ny vondrom-piarahamonin'ireo Ivoariàna tao Parisy, ary lasa nalaza tao Côte d'Ivoire sy tany amin'ny firenena marobe tao Afrika atsimon'i Sahara nandritra ny folo taona taorian'izay. Miainga avy any amin'ny fanakianana ny materialisma ambaran'ny zouglou (karazany iray hafa amin'ny mozika ), ny coupé-décalé dia manamafy ny firaiketampony amin'ireo fanànana hita maso, sy amin'ny fomba fijeriny maneso ny fiarahamonina, apetraky ny coupé-décalé ho eny anoloana ny fialamboly sy ny fanehoana an-tsehatra. Araka izany, « samy lalovana ny mozika misy fironana sy ny mampisaintsaina momba ny fiarahamonina misy ny tena, mankany amin'ny mozika mampientanentana ahafahana milanona Gadona malaza sy maoderina, ny coupé-décalé dia nambabo fo ireo borkinabe maro mpanakanto, toa an'i Floby , Dez Altino , Dicko Fils , Imilo Lechanceux , Kayawoto, Huguo Boss, Razben, Barsa 1er, Agozo , Bebeto Bongo, Greg Burkimbila, David Le Combattant ary Sofiano . Indro ny lahatsary iray an'ilay mpanakanto Floby maneho ny dindon'ny Coupé-décalé: Ity lahatsary iray hafa an'i Moise Ouattara , aingam-panahy nalainy avy amin'ny zouk: Ny Slam no karazana mozika iray hafa niditra ho ao anatin'ny kianja filalaovan'ny mozika borkinabe. Izy dia anisan'ireo fitaovana ampiasain'ireo mpankafy azy, indrindra fa ny tanora, mba hanentanana sy hanairana ny olona momba ireo  olana sôsialy. Io karazana mozika io dia nentin'ilay tanora mpanakanto Malika la Slameuse , Rama la slameuse sy ilay mpiventy Donsharp de Batoro. Ao anatin'ity lahatsary ity, Malika la Slameuse dia manentana momba ny sakafon-jazakely: Ao amin'ny twitter , ny sasany dia mankatelina tsara ny ataon'ireo mpanakanto ho an'ny mozika borkinabe. Justement, eux ce sont des burkinabés mais ils ne font pas de LA MUSIQUE BURKINABÉ . Quand tu écoutes par exemple Awa Boussim , Nabaloum ,Alif , Floby… il y’a ce truc en commun qui fait de ça la vraie musique Burkinabé — Burkiñd Bilã🇧🇫 (@sweetybananaa) July 20, 2019 Izay indrindra, izy ireo dia Borkinabe saingy tsy manao MOZIKA BORKINABE. Raha henoinao, ohatra, i Awa Boussin, Nabaloum, Alif , Floby… dia misy an'ilay zavatra iraisany manome ny tena mozika borkinabe — Burkiñd Bilã🇧🇫 (@sweetybananaa) 20 Jolay 2019 Tsy adino ny fombandrazana Azon'i Burkina Faso atao ihany koa ny miantehitra amin'ireo olo-malazany toa an'i Bil Aka Kora , Nabalum , Miss Tanya , Alif Naaba sy ireo mpanatalenta maro hafa. Ny mozikan'izy ireny dia fifangaroana feo fahiny sy vaovao. Amin'ny alàlan'ny hiran-dry zareo, ny sasany amin'ireny mpanakanto ireny dia manome voninahitra ny tantaran'ny fireneny, raha ny hafa kosa miampanga olana sasantsasany no sady manentana. Araka izany, sary fanehoana tsara an'izay i Alif Naaba miaraka amin'ilay senegaly mpanakanto Ismaël Lô izay mandà ny fanavakavahana : Araka ny lazain'ny tranonkala www.musiques-afrique.net . mbola velona tsara ny fombandrazana raha resaka mozika: Marobe ireo mpankanto mendri-kaja milalao zavamaneno fively ho mozikany (Adama Dramé) , hatramin'ny balafon ( Saramaya , Les Freres Coulibaly ) sy hatramina fitambarana mozika sy dihy nentindrazana toy ny Farafina , Djiguiya na ny Troupe Saaba . Misy ihany koa ny mozika lazaina hoe world an'i Gabin Dabiré , izay, monina any Italia efa hatramin'ny taona maro, maka ny aingam-panahiny amin'ireo fombandrazana. Misy lisitra filalao feno an'ireo mozika borkinabe azo raisina ato . Misy ihany koa lisitra filalao avy amin'ny lafivalon'ny tany azo raisina sy idirana amin'ny alàlan'ny kaonty Spotify Global Voices .
https://mg.globalvoices.org/2023/03/28/162997/
Undertones: Tanàna cyberpunk any Zimbaboe notarihan'i Shina
2023-03-28T03:38:27
Unknown
Sarin'ny Global Voices mampiasa sary fanehoana ny renivohitra vaovao ao Zimbaboe, Zim Cyber City. Ity tantara ity dia ampahany amin'ny Undertones, taratasim-baovaon'ny Civic Media Observatory ao amin'ny Global Voices. Mamamndriha hahazoana Undertones . Tongasoa indray eto amin'ny Undertones, loharanonao hijerena famakafakana lalina momba ny fitantaran'ny fampahalalam-baovao manerantany. Amin'ity andiany ity izahay mamakafaka ny olana saro-bahana momba ny tsirefesimandidy ankihy ao Zimbaboe, izay tafiditra ao anatin'ny tetikasanay Unfreedom Monitor izay mbola misy amin'izao fotoana. Napetraka ho firenena voalohany ao Afrika manana tanàna renivohitra “marani-tsaina (smart)” niainga tamin'ny tsy misy i Zimbaboe. Eo ivelan'ny renivohiny amin'izao fotoana, kasaina ho lasa tanàn-dehibe marani-tsaina voatrolombelona i New Harare na Zim Cyber City amin'ny tranom-panjakana mifandray anjotra, fifamoivoizana mirindra, filaminana maharitra ora maro, trano meva dia meva, ary tsenambarotra manatratra ny faratampony . Farafaharatsiny, izay ilay nampanantenain'ny governemanta. Ho an'ny olom-pirenena maro fatra-piahiahy, hampiditra an'i Zimbaboe ho any amin'ny vanim-potoana tsy fanonofy izao drafitra New Harare hanjakazakan'ny teknolojia famantarana tarehy miara-dalana amin'ny IA (HaVO-Haranitatsaina Voatr'Olombelona) izao. A faka mampitovy ny sary mivantan'ny olona amin'ny any amin'ny foiben'angondrakitra ilay teknolojia ary hanaitra ireo mpampihatra ny lalàna rehefa mihatsikaritra olona ahiahiana ho jiolahy. Ao Zimbaboe, izay anakonan'ny fitondran'ny Filoha Emerson Mnangagwa amin'ny fomba henjana ny fahalalahana, dia misy ihany koa ny antony miafina ara-politika amin'ity teknolojia ity. Raha ny marina, efa napetraka any amin'ireo tanànan'i Zimbaboe izay matanjaka ny fihetsiketsehan'ny mpanohitra ny fakantsary fanaraha-maso CCTV. Mankany amin'ireo goavamben'ny fanarahamaso Shinoa, toy ny Huawei, Hikvision, ary CloudWalk, izay tohanan'ny fampindramam-bolan'ny governemantany ny ankamaroan'ny tolo-bidin'ny revirevy nomerikan'i Zimbaboe. Novatsian'i Shina vola ny tranoben'ny parlemanta ao New Harare, izay eo an-dalam-panorenana. A o anatin'ny Lalan'ny Lasoà Nomerikan'i Shina sy ny Fisantarain'Andraikitra Rojo-Fehikibo sy Lalana (BRI), vinam-potodrafitrasa goavana avokoa ireo tetikasa rehetra ireo. Nanadihady ny fitantarana momba ny BRI ireo mpikarokay teo aloha,  ary natambatra tao amin'ny tatitray “ Framing China's Belt and Road Initiative” . Nifanaovana tamin'ny Mulk International miorina any Dubai ihany koa ny fifanarahana ara-teknolojia famantaran-tarehy ao Zim Cyber City. Mandritra izany fotoana izany, mandrafitra fifandraisana amin'ireo mpitarika Belarosiana amin'ny hetsika fiarovana nomerika ny Filoha Mnangagwa. V oalaza fa nampiasa fanaraha-maso tsikilo manana endrika rindrantsikilo Pegasus tamin'ny findain'ireo mpanao politika sy mpanao gazety ihany koa ny governemantan'i Zimbaboe . Satria hotontosaina amin'ny volana Jolay 2023 ny fifidianana ankapobeny ao Zimbaboe, mampiroborobo ny fitantarana miabo momba ireo fampiasam-bola an-tapitrisa dolara maro ireo ny governemantan'i Mnangagwa. Tsy resy lahatra anefa ny olom-pirenen'i Zimbaboe. “Misy resaka ao amin'ny media sosialy, na dia tsy misongadina aza, mikasika ny laharam-pahamehana diso toeran'ny governemanta ao anaty fikorontanan'ny toe-karena,” hoy ny mpikarokay Zimbaboeana, izay tsy mitonona anarana noho ny antony ara-piarovana. Pikantsary avy amin'ny Africanews/ Youtube “Ilaina amin'ny maodernizasiona ny vola Shinoa” Milaza ireo feo mpomba ny governemanta fa hampisavoana ny filaminana, ny fampandrosoana ary ny firoboroboan'ny toekarena ao Zimbaboe ny fanafarana ny teknolojia Shinoa. Raha fintinina dia milaza ry zareo fa “ manondrana teknolojia i Shina mba hanampiana ireo firenena handroso ara-teknolojia .” Efa am-polony taona maro ny fitokisan'i Zimbaboe ny fanaovantsoan'i Shina. Nanohana ny tolon'i Zimbaboe ho amin'ny fahaleovantena i Shina (sy i Rosia) nanoloana ny fanjanahanatany britanika nandritra ny taona 1960 sy 1970. Ampifanoherin'ny fitantaran'ny fanjakana ny ‘fitaomam-panaovantsoan'i Shina’ sy ireo hery tandrefana “imperialista” mpanao mizana tsindrian'ila, indrindra amin'ny resaka zon'olombelona. Hita ho toy ny fahadisoana noforonin'ny Tandrefana mba hanimbana ny governemantan'ny Ilabolantany Atsimo ny zon'olombelona. Hita any Rwanda, Shina, Kamerona, ary firenena tsy tandrefana maro hafa koa io fitantarana io. Nanoratra , ohatra, ny tonian-dahatsoratra iray avy ao amin’ny Herald, gazety iray an’ny fanjakana eo an-toerana, fa ny “tsy manana fahefana ara-môraly i Etazonia hiteny an'i [Zimbaboe]” ho setrin'ny tatitra momba ny zon'olombelona novolavolain'ny masoivohon'i Etazonia ao Harare tamin'ny herintaona. Nolazainy fa manana firaketana ratsy momba ny zon'olombelona any Irak, Afghanistan ary Pakistan i Etazonia, ary tsy nety niara-niasa tamin'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 2019, ary mamatsy fitaovam-piadiana ho an'i Afovoany Atsinanana. Saingy tandindonin-doza tokoa ny zon'olombelona ao Zimbaboe. Mampiseho ny fikarohana nataonay tao amin'ny Unfreedom Monitor fa iharan'ny fepetra fanasaziana ny olom-pirenen'i Zimbaboe rehefa mampihatra ny zony, anisan'izany ny fahalalahana maneho hevitra sy mivorivory. “Raha jerena ny fironan'ny fitondrana amin'ny famoretana ireo tsy mitovy hevitra aminy ho tetikady fitazonana ny fahefana, dia fambara loza ho an'ny antoko mpanohitra, mpikatroka, FTMF-ONG sy ny fiarahamonim-pirenena” ny fampiharan'ny governemanta ny teknolojian'ny fanaraha-maso, hoy ny mpikarokay. “Hanamora ny famoretan'ny Fanjakana ny feon'ireo tsy mitovy hevitra aminy amin'ny alalan'ny fampiasana lalàna manohitra ny fahalalahana mivory sy maneho hevitra ny teknolojian'ny fanaraha-maso ao amin'ny tetikasa Smart City.” Vitsy, nefa mazava, ny feo manohitra Na dia eo aza ny loza mety hitranga, dia maneho ny ahiahiny momba ny fikasan'ny governemantany hahatonga ny tanàna ho “maranitsaina kokoa” ny mpitsikera sasany. Tsy vitan'ny hoe matahotra ny sivana bebe kokoa sy ny famoretana mahomby kokoa amin'ny mpanohitra sy ny mpanao gazety amin'ny alàlan'ny fanarahamaso faobe sy lasibatra izy ireo, fa milaza ihany koa fa ho azon'i Shina hidirana ny angon-drakitra biometrika sy fifandraisana amin'ny Zimbaboeana ho ampahany amin'ny fifanarahana eo amin'ny firenena roa tonta hanatsarana ny HaVO mpamantatra tarehy endrik'olona Afrikana. Iray amin'ireo feo mpitari-dalana miaro ny zon'angon-drakitra sy ny fiainana antakonana ny Zimbabwean chapter ao amin'ny Ivon-toeran'ny Media Atsimon'i Afrika, sy ireo famoahana ara-piarovana . Na izany aza, tsy dia miloa-bava loatra amin'ny fanoherany ny sisa amin'ny mponina, ary mailo amin'ny valifaty. “Misy ny tahotra lehibe eo amin'ny mponina satria fantatr'izy ireo ny fiantraikan'ny fitenenana manohitra ny governemanta,” hoy ny mpikarokay Zimbaboeana. “Betsaka ny tsy firaharahian’ny mpifidy, tsy hiresaka momba ireo zavatra ireo izy ireo. Misy ny fahatsapana fahadisoam-panantenana.” Ny Lalan'ny Lasoà Ankihy no elatra nomerikan'ny Fisantaran'Andraikitra Fehikibo sy Lalana (BRI) an'ny Filoha Xi Jinping. Lasa mpitarika manerantany amin'ny fitantanana mifototra amin'ny fanarahamaso ao an-trano i Shina, maodely fanondrana ivelany amin'izao fotoana. Manome famatsiam-bola bebe kokoa ho an'ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana any Afrika i Shina miohatra amin'ireo firenena demokratika lehibe rehetra sy ny fikambanana iraisampirenena mitambatra. Raha liana amin'ny fitantarana manodidina ny BRI an'i Shina ianao dia jereo ny famakafakana nataonay nanomboka tamin'ny taona 2021 ka hatramin'izao . Ireto misy tantara vitsivitsy: Is China exporting its surveillance state to Venezuela? Tsikaritr'i Etiopia fa ambany kalitao ny tetikasa sy ny vokatra shinoa [mg] Mampisara-bazana Pasifika ny hetsika “Fehikibo sy Lalana” [mg]
https://mg.globalvoices.org/2023/03/29/163450/
Côte d'Ivoire, miroborobo ny asa fanovana gazetim-panadihadiana momba ny tontolo iainana: tafa niarahana tamin'i Ismael Angoh
2023-03-29T03:45:20
Unknown
Sarin'i Ismael Angoh, fampiasàna nahazoana alàlana Fitrandrahana tsy araka ny tokony ho izy ireo harena ara-tontolo iainana; fanariana fako manapoizina eny rehetra eny, na rano maloto any an-drenirano sy ony: manjaka ny olana ara-tontolo iainana ao Afrika. Izany no antony maha-manandanja ireo mpanao gazety fanadihadiana ifotony momba ny tontolo iainana. Nitafa tamin'ilay Ivoariàna mpanao gazety, Ismael Angoh, ny Global Voices mba hahafantarana ireo fanamby atrehana amin'io asa io. Tamin'ny Aogositra 2006, ireo vahoakan'i Abidjan, renivohitr'i Côte d’Ivoire, dia niatrika fanariana fako misy poizina 540.000 litatra avy amin'ny sambo iray teny amin'ny manodidina ny tanàna. Tamin'ny Janoary 2018, izany hoe folo taona taorian'izay, , ny tatitry ny fitsirihana ara-tontolo iainana nataon'ny Programme des Nations Unies pour l'Environnement (PNUE) (sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Tontolo Iainana) dia namoaka fa an'arivony maro ny olona tra-doza tamin'ilay trangan-javatra, nisedra olana ara-pahasalamàna marobe. Taona vitsy taty aoriana, ny 2021, vohitra 12 tao an-tanànan'i Korhogo ( any avaratr'i Côte d’Ivoire, 635 km miala an'i Abidjan) no tsy afaka nahazo rano fisotro madio sy hidiovana noho ny fahalotoana nateraky ny fanariana rano maloto avy amin'ilay orinasa mpanao menaka Cotraf ao Korhogo. Ny fahafenoan'ny kapoakan'ny vahoaka, nivoaka tao amin'ny lahatsoratra iray an'ny Agence Ivoirienne de Presse (AIP) tamin'ny 9 Aogositra 2022, no nisarika ny sain'i Ismael Angoh. Araka izany dia nanao fanadihadiana momba ilay olana izy mba hampahafantarana ny daholobe ireo fahasahiranana zakain'ny vahoaka any amin'ireo vohitra 12 noho io fandotoana io. Nitafa taminy ny Global Voices (GV) mba hahatakarana ny antony manosika azy hanao io asa fanadihadiana ifotony io GV : Nanao fanadihadiana ifotony ianao momba ny fahalotoan'ireo renirano vokatry ny fakon'ny orinasa iray ao avaratr'i Côte d'Ivoire. Inona no nanosika anao ho amin'io tranga manokana io? Ismael Angoh (IA) : Tamin'ny Aogositra 2022, dia isan'ireo nanatrika ny fiofanana momba ny fomba vaovao fanadihadiana ara-tontolo iainana mifandraika amin'ny fiovàn'ny toetrandro aho, izay nokarakarain'ny Institut Panos Afrique de l’Ouest ( IPAO ), niarahany niasa tamin'ny  ‘’ Centre for Investigative Journalism – CIJ’’ tao anatin'ny fametrahana ny tetikasa ‘’ Open Climate Reporting Initiative ‘’ (OCRI) aty Côte d’Ivoire. Avy eo, nandefa antso ny IPAO ho fametrahana tetikasa fanaovana fanadihadiana ara-tontolo iainana. Tao anatin'ny fikarohana izay ho lohahevitra, hitako ny lahatsoratry ny Agence Ivoirienne de Presse (AIP) izay tao anatin'izany ireo vahoaka tany amina vohitra 12 ao Korhogo no niampanga, tamin'ny alàlan'ny fitorevahana iray, ny fahalotoan'ny reniranon'izy ireo vokatry ny rano maloto alefan'ilay orinana mpanao menaka COTRAF. Io zavamisy io dia niteraka fahavoazana tamin'ny voka-bary ary ambony be ny taham-pahafatesan'ny biby fiompy. Nahatsiaro tena ho voakasika aho ary nanapaka hevitra ny hijery ny fiantraikan'io fandotoana io amin'ny fiainan'ireo vahoaka teratany sy ny reniranon'izy ireo, ny vokatra ampiakarin-dry zareo ary ny fambolena, mba hanasongadinana ny andraikitry ny tsirairay sy ireo fepetra natao hitsaboana izany. Renirano iray voaloto ao amin'ny vohitra Lakpolo (Korhogo). Sary an'i Ismael Angoh, fampiasàna nahazoana alàlana GV : Valo volana taorian'ny namoahana ny vokatry ny fanadihadiana nataonao, misy fiovàna tsikaritra ve? IA : Mbola ny teo ihany no eo. Tsy nahazo fanonerana ara-bola ny vahoaka. Miady irery ry zareo. Etsy ankilany kosa, nifandray tamiko ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Jeunes Volontaires pour l’Environnement en Côte d’Ivoire (JVE-CI), taorian'ilay fanadihadiana nataoko. Mihevitra ny handeha eny amin'ny toerana iharan'ny fandotoana ireo mpikambana ao anatiny ary hanao adisisika any amin'ny governemantanay sy ireo mpanatsy vola avy any ivelany raha toa ka tsy misy na inona na inona atao. Iray amin'ireo fanatobiana tsizarizary ny rano maloton'ny orinasa Cotraf, ao Natio-Kobadara (Korhogo). Sary nahazoana alàlana tamin'i Ismael Angoh GV : Mpanao gazety miresaka tontolo iainana ianao, inona no anton'io safidy io? IA : Voalohany indrindra, ny famokarana votoaty miresaka momba ny tontolo iainana na ny fiovàn'ny toetrandro dia mety hanavotra aina maro. Avy eo, ny fandrakofana atao an'ilay trangan-javatra dia mety hisy fiantraikany amin'ny hetsika pôlitika sy hanome ny olona ny fahafahany manao safidy mazava. Farany, eo am-panatontosana lohahevitra vita trandraka tsara, amin'ny maha-mpanao gazety ara-tontolo iainana, azoko atao ny manasongadina ireo asa efa ataon'ny sasany sahady hiatrehana ny fiovàn'ny toedrandro. Antenaiko ihany koa ny hiaraka hiasa amin'ireo ONG sy ny haino-vaky-jery ary an-tambajotra. Ankoatra izay, tiako ny hanorina onjampeo iray sy fahitlavitra iresahana manokana momba ny tontolo iainana ary afaka ny hiady amin'ny fiovàn'ny toetrandro, mba hahafahana mizara amin'ireo tanora ny traikefa kely anananako amin'ny resaka asa fanaovana gazetim-panadihadiana. GV : Inona avy ireo dingana efa nodiavinao ka nahatongavana amin'ity sehatra manokana ity? IA : Ananako ny Diplôme d'Études Supérieures en Communication (DESCOM) sy ny Diplôme Supérieur en Communication (DISCOM) avy amin'ny Institut des Sciences et Technique de la Communication (ISTC) Polytechnique ao Cocody,  Abidjan. Nanomboka tamin'ny 2013, mpanao gazety mpamokatra fandaharana aho ao amin'ny onjampeo ISTC FM, 103.8 FM, manaraka ny lohahevitra hoe « Ny Vahoaka sy ny Fampandrosoana », ka niaraka tamin'izany dia namokatra aho fanadihadiana an'onjampeo sy gazetiboky mitondra ny lohateny hoe “Enfance et Droits” (Ny Fahazazàna sy ny Zo). Ny fitiavako ny asa fanaovana gazety no nitondra ahy hanaraka fiofànana hanao asan'ny Mpanao Gazety Mpitatitra an-tSary (Journaliste Reporter d’Images – JRI). Nahaliana ahy ihany koa ny gazety an-tambajotra sy ny asa fanaovana gazetim-panadihadiana angondrakitra momba ny miralenta, noho ny fisian'ilay tetikasa « Médias Lab pour elles » nataon'ny CFI ary ny asa fanaovana gazetim-panadihadiana angondrakitra ara-tontolo iainana, nanomboka tamin'ny Aogositra 2022. GV : Inona avy ireo fanamby atrehanao amin'ny maha-mpanao gazetim-panadihadiana anao? IA : Folo taona izao no naha-mpanao gazety ahy. Misy ambaratonga telo ireo tena fanamby goavana ho ahy : ny lafiny ara-toekarena, tsy arakaraky ny zavatra antenaintsika ny famatsiambola entina manatontosa fanadihadiana any amin'ireo faritra izay mazàna lavitr'andriana aty Côte d’Ivoire. Ohatra, ny fanadihadiana momba ny fahalotoan'ny renirano ao Korhogo dia nandaniako vola 600 000 FCFA (na 984 dôlara amerikàna) raha kely indrindra. Eo amin'ny lafiny olombelona, sedrainay ny tsy fahampian'ny fiarahamiasa avy amin'ireo tomponandraikitra amin'ireo andrim-panjakana samihafa na ireo orinasa voarohirohy amin'ny fandotoana ireo renirano ao amin'ny vohitr'i Korhogo. Amin'ny lafiny fampitaovana, tsy maintsy nila fiara tsy mataho-dàlana izahay (4X4) mba hahatongavana any amin'ireo toerana misy ny fandotoana. Mba hamahàna io olana io, nanofa môtô izahay ary nandeha an-tongotra ihany koa. Tsy ampy fitaovana teknika sy siantifika ihany koa izahay ho entina mitsonga santionany amin'ireo salohim-bary sy ny rano avy amin'ireo renirano voaloto. Eo amin'ny lafiny fotoana , ao anatin'ny sehatr'ilay tetikasa OCRI, nametraka fetra telo volana taminay ny Institut Panos mba hanaterana ny vokatry ny fanadihadiana nataonay, nefa volana enina vao vitanay ny asa noho ireny fahasahiranana ireny. GV : Inona no tsy maintsy ataon'ireo mpanao gazety mandrakotra io lohahevitra io mba hahatonga azy ho azo n'ny daholobe sitrahana? IA : Tsy maintsy aparitaka eny amin'ireo fampahalalambaovao efa nahazatra sy ireo vaovao koa ny vokatry ny asa. Raha ny momba ny fanadihadiana nataoko, nalefako ao amin'ny ISTC FM, 103.8 FM. Nampitaiko tao amin'ny www.vocaroo.com , tranonkala iray fandefasana rakipeo, tao amin'ny LinkedIn sy WhatsApp. Ilay fanadihadiana dia nozaraina tamin'ireo nijoro ho vavaolombelona nandritra ireo tafa nataonay, nozaraina tamin'ireo ONG sy ireo mpanao gazety namana. Noresahako ihany koa tao anatin'ny fandaharana “ Panorama des Régions tao amin'ny onjampeon'ny Fandriampahalemana” ny momba ilay fanadihadiana. GV: Ianao ve miasa miaraka amin'ireo mpanao gazety namana miresaka io lohahevitra io koa ao Côte d’ivoire ? IA : Nofiko ny hiaraka hiasa amin'ireo mpanao gazety namana miresaka io lohahevitra iraisana io aty Côte d’Ivoire, any amin'ny faritra, nefa hatreto aloha, ny tena fiarahamiasako dia miaraka amin-dramatoa mpanao gazety, Aïssatou Fofana. Noho izy, azoko natao ny nampita ny fanadihadiana nataoko tao amin'ny tranonkalany an-tambajotra : www.lecologiste.com . GV : Ny vinanao ho an'ny ady ara-tontolo iainana? IA : Fikasako ny hanamafy ny fahaizako momba ny asa fanaovana gazetim-panadihadiana sy ny asa fanaovana gazety mpanome vahaolana hiadiana amin'ny fiovàn'ny toetrandro. Tokony ho takatr'ireo tomponandraikitry ny fampahalalambaovao fa io lohahevitra io dia fanararaotra iray ho azy ireo hivoarany sy hanatsaràny ny tolotra mitodika mankany amin'ny vahoaka. Satria ny vahoaka te-hahazo vaovao azo antoka momba ireo trangan-javatra ary maniry hahafantatra izay azon'izy ireo atao mba handraisany anjara amin'ilay ady.
https://mg.globalvoices.org/2023/03/21/163306/
Benin, valan-javaboahary iray lasa toeram-pialofan'ireo vondrona mpihoko
2023-03-21T07:57:46
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny France24 Ao avaratr'i Bénin, misy valan-javaboahary iray lasa toaram-pialofan'ireo mpikomy niampita sisintany, raha i Cotonou ilay mbola eo am-pamerenana mandinika ny tetikadim-piarovany iny indrindra. Tamin'ny 2017, firenena marobe ao Afrika Andrefana, isan'izany i Bénin, Burkina Faso, Côte d'Ivoire, Ghana ary Togo, no niara-dàlana tamin'ny Fiombonambe Eorôpeàna, Frantsa ary Grande-Bretagne tao anatin'ilay Santatr'Andraikitr'i Accra hiarahana miady amin'ny ambana entin'ireo jihadista any amin'ireo firenena ao Sahel . Tanjon'io ambohipihaonana ivondronan'ireo filoha avy amin'ireo firenena voatanisa etsy ambony iretsy ny hampiraisana ireo ezaka hifehezana tsara kokoa ny asa fampihorohoroana. Tamin'ny 2019, Mali,  Nizera ary Nizerià dia nanatevin-daharana tao koa, amin'ny maha-mpikambana mpanaramaso azy ireo . Efa ela i Benin no tsy voatohintohin'ny ambana entin'ireo jihadista raha efa am-polon-taona maro kosa ireo  firenena miray sisintany mirefy 2.123 km aminy, Burkina Faso (386 km),  Nizerar (277 km), Nizerià (809km), ary Togo (651 km) no niharan'io karazana ady antsoina hoe tsy mifandanja io. Fa nanomboka tamin'ny May 2019 , nitombo ny isan'ireo fitsofohana sy trangana herisetra mahery vaika tao Benin. Tamin'ny 8 Febroary 2022 ny fanafihana iray tena nahafatesana olona maro indrindra , ary nahitàna olona sivy raha kely indrindra namoy ny ainy . Nanomboka tamin'ny 2021, efa mihoatra ny roapolo ireo asa fampihorrohoroana voarakitra tao amin'ny tanin'i Benin, araka ny fanamarihan'ity mpampiasa Twitter ity azy: Le terrorisme djihadiste au Sahel est particulièrement de manière incontrôlée dans les pays du nord du Golfe de Guinée. ACLED a enregistré 26 attaques organisées dans le nord du #Bénin attribuées au (JNIM) entre le 1er novembre 2021 et le 14 septembre 2022. — Hervé Doumbia (@almouslime) 29 septembre 2022 Ny asa fampihorohoroan'ny jihadista ao Sahel dia tsy voafehy manokana any amin'ireo firenena ao avaratry ny Hoalan'i Guinée. Naharakitra fanafihana niisa 26 voalaza ho notanterahan'ny JNIM tao avaratr'i #Benin ny ACLED teo anelanelan'ny Novambra 2021 sy 14 Septambra 2022. — Hervé Doumbia (@almouslime) 29 Septambra 2022 Na mijanona ho fotokevitra toa somary manana dika marolafy aza ny hoe fampihorohoroana, dia tsara ny mahafantatra hoe “ zavamisy tsy azo lavina intsony io” . Ny fomba fiasany nakàna an-kery ireo Frantsay mpizahatany tao avaratr'i Benin dia mampahatsiahy ” hatrany ny an'ireo vondrona jihadista sasantsasany ” toy ny Vondrona mpanohana ny Islam sy ny Miozolmàna (GSIM) , mifandray tendro amin'ny al-Qaïda ary manome tsiny ny governemanta tandrefana amin'ny fitsabahana anatin'ny raharahan'ireo firenena islamika. Izany koa no hevitr'ity manampahaizana manokana momba ny ao Sahel ity: Sahel : “L'enlèvement des touristes français au nord du Bénin a révélé la coopération entre les différentes unités combattantes djihadistes qui opèrent dans la région.” @YGuichaoua spécialiste du Sahel et des questions sécuritaires en Afrique de l'Ouest https://t.co/pcsJeR3sY8 pic.twitter.com/KGT9Ddcl6N — Xavier Martinet (@XXMonde) 13 mai 2019 Sahel: “Abaribarin'ny fakàna an-kery ireo Frantsay mpizahatany tany avaratr'i Benin ny fiarahamiasan'ireo rantsana samihafa mpitolona jihadista miasa ao amin'ny faritra,” hoy @YGuichaoua , manampahaizana manokana momba ny faritra Sahel sy ny resaka fiarovana ao Afrika Andrefana — Xavier Martinet (@XXMonde) 13 May 2019 Ity bitsika avy amin'ny Wamaps ity, bilaogy iray miresaka ny toedraharaha ara-piarovana ao Afrika Andrefana, dia manamafy ny fiharatsiana ankapobeny misy ao amin'ny faritra : #Sahel | Classement de l'impact du terrorisme mondial en 2022, de 0 à 10 (très fort). Le #Burkina 🇧🇫 , le #Mali 🇲🇱 , le #Nigeria 🇳🇬 et le #Niger 🇳🇪 occupent les premiers rangs. ⚠️ Hausse préoccupante au #Togo 🇹🇬 (+49 places) et au #Bénin 🇧🇯 (+23 places). Source @GlobPeaceIndex . Publié le 14/03 pic.twitter.com/2gKLMjy0kS – Wamaps (@Wamaps_news) 17 mars 2023 #Sahel | Fampilaharana ny fiantraikan'ny asa fampihorohoroana erantany tamin'ny 2022, isa 0 hatramin'ny 10 (ny mafy indrindra). #Burkina 🇧🇫 , #Mali 🇲🇱 , #Nizerià 🇳🇬 ary #Nizera 🇳🇪 no mitàna ny lohalaharana. ⚠️Fitomboana mampiahiahy ao #Togo 🇹🇬 (niakatra toerana +49 ) sy ao #Bénin 🇧🇯 (niakatra toerana +23). Loharano @GlobPeaceIndex . Nivoaka tamin'ny 14/03 pic.twitter.com/2gKLMjy0kS – Wamaps (@Wamaps_news) 17 Martsa 2023 Ho an'ny taona 2022 fotsiny, nanokanan'ny governemanta ao Benin vola 60.609.557.000 Francs CFA (izany hoe 100 tapitrisa dolara amerikàna eo ho eo) ny tetibola ho an'ny fiarovana . Tamin'ny 2023, nisy fiakarany 27,82% hita tamin'ireo filàna tetibolan'ny ministeran'ny fiarovam-pirenena . Hanazavàna izay , ny 28 Aprily 2022 dia nampitain'ny governemanta ao Benin tamin'ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana ny fikasàny hanaisotra ireo andian-tafiny niparitaka tao Mali niaraka tamin'ilay hetsika MINUSMA ho fanamafisana ny fiarovana manerana ireo sisintany iraisany amin'i Nizera sy Burkina Faso . Akany maitso ho an'ny fampihorohoroana Ny endrika iray hafa maneho ny toedraharaha mampiasa loha dia ny fipetrahan'ireo vondrona mpihoko any anatin'ny faritra arovana ampitan'ny sisintany, ifampizaran'i Bénin, Burkina Faso ary Nizera,  antsoina hoe « Parc W » ao avaratry ny firenena . Io valan-javaboahary mirefy 30.000 km² io dia voasokajy ho vakoka erantany ao amin'ny Unesco nanomboka tamin'ny 1996, ary tafiditra ihany koa ho complexe W-Arly-Pendjari , toerana natoraly iray miampita sisintany ifampizaran'i Bénin, Burkina Faso, ary Nizera. Inscrit sur la liste du #PatrimoineMondial : Complexe W-Arly-Pendjari [extension du «Parc national du W du Niger»], Bénin, Burkina Faso, Niger pic.twitter.com/zTFCTgTd78 — UNESCO en français (@UNESCO_fr) 7 juillet 2017 Voasoratra ao anatin'ny lisitry ny #VakokaErantany : ny “ Complexe W-Arly-Pendjari ” [fihitaran'ny «Valam-pirenena W ao Nizera»], Bénin, Burkina Faso, Nizera pic.twitter.com/zTFCTgTd78 — UNESCO en français (@UNESCO_fr) 7 Jolay 2017 Noho ny tsy fisian'ny herim-piarovana tokony hiantoka ny fiarovana ireo karazam-biby ao, lasa toerana sarotra idirana ho an'ireo hery fiarovana io toerana masina io. Araka izany dia mipetraka ao ireo vondrona mpampihorohoro ; nanomboka tamin'ny 2018 dia izany no misy ho an'ireo vondrona jihadista toy ny Katiba Ansarul Islam sy ny Katiba Serma izay mampiasa azy io ho toy ny toby famaharana ho entina hanitarana ny dindon-dry zareo mankany Benin sy ireo firenena hafa ao Afrika Andrefana . Io valan-javaboahary io dia miaina fifandirana marobe mifamatotra amin'ireo trangan-javatra marobe, toy ny haintany, ny fifindrantoerana ary ny fihazàna. Fihetsiky ny govenemanta ao Benin manoloana ny amban'ny mpampihorohoro Mba hampihenana ny fidonan'ny ambana ateraky ny fampirohorohoana, marobe ny hetsika nataon'ny governemanta ao Benin, toy ny fanamafisana ny fahaizamanaon'ireo tafika mitam-piadiana ao Benin (FAB) ary ny fandraisana faobe ho fanampin'ireo efa amperinasa amin'izao fotoana izao ao anivon'ny tafi-piarovana efa misy. Araka izay nambara tao anatin'ny fandaharanasan'ny governemanta ho an'ny taona 2021-2026 , mihoatra ny 2 000 ireo miaramila sy pôlisy horaisina mba hahafahana mandrakotra tsara ireo velarana 112 622 km² mandrafitra an'i Bénin. Nisy ihany koa ny fanohanana avy amin'i Frantsa , ao anatin'ny fifanomezan-tànan'ny Frantsay sy ny Beninoà amin'ny ady atao amin'ny asa fampihorohoroana sy ny fanaovana an-tendro feno herisetra . Fiara tsy mataho-dàlana niisa 20 ( MASS TECH ) no natolotra ho an'ny Fatika Mitam-Piadiana Beninoà. Hetsika iray hafa ny “fanamafisana ny fifamatorana sôsialy , ny fisorohana ny fanaovana an-tendro feno herisetra ary ny ady anoherana ireo fifandonana mifamatotra amin'ny fifindran-toerana”, iarahana miasa amin'ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana (PNUD) sy ny masoivohon'ny Pays-Bas. Ny firotsahan'ny fiarahamonim-pirenena sivily amin'ny famahàna ireo fifandirana dia fitaovana iray hafa tena ilaina, araka ny fanazavan'i Gille Yabi, tale mpanatanteraka ao amin'ny Think T ank Wathi tao amin'ny tranonkalan'ny Benin Intelligent : Koa satria ny fiarahamonina manontolo no indray idonan'izany, dia antony iray ampy izany mba haha-ara-drariny ny fandraisana anjaran'ity farany manontolo amin'ny fikatsaham-bahaolana Yabi no manazava ireo fanamby naroson'ny fiarahamonim-pirenena sivily tao amin'ny faritra, ao anatin'io antsafa io ihany : araka izany, mazava loatra fa manana anjara toerana goavana ny fiarahamonim-pirenena sivily satria izy no voalohany iharan'ny toedraharahan'ny tsy fandriampahalemana[…] Ireny fikambanana ireny no akaiky indrindra ny vahoaka isanandro, ary dia tena ivo araka izany ny fandraisana anjarany amin'ny fisorohana ny fanaovana an-tendro feno herisetra, na ny fipetrahan'ireo vondrona mitam-piadiana any amin'ireo firenena ao amin'ny faritra.
https://mg.globalvoices.org/2023/03/24/163382/
Global Voices mitady mpiara-miombona antoka amin'ny resaka Media Sôsialy ho an'i Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao ambanin'i Saharà
2023-03-24T07:17:42
Unknown
Sary an'i Filip Noubel, fampiasàna nahazoana alàlana. Mpanentana mahomby ao amin'ny media sôsialy ve ianao ary tsy zoviana aminao i Afrika mampiasa sy miteny frantsay? Mamokatra lahatsary fohy sy manintona, feo na voatoaty an-dahatsoratra mahatratra mpanjohy marobe ve ianao? Vonona ve ianao ny hitrandraka sy hifanosona amina mpanjohy vaovao? Raha eny, hevero ny hisoratàna anarana ho amin'ny toeran'ny Mpiara-Miombona Antoka amin'ny Media Sôsialy ( Social Media Global Fellow – SMGF). Andraikitra handraisanao karama enina ka hatramin'ny valo volana ny SMGF. Amin'ity indray mandeha ity, i Afrika ambanin'i Sahara mampiasa sy miteny frantsay no ifantohanay. Ireto andraikitra manaraka ireto no takian'ilay toerana: Mikatsaka fomba misy fahaizamamorona hampandraisana anjara ireo tanora ao Afrika ao ambanin'i Sahara, mampiasa sy miteny frantsay, ao anatin'ny iraka fototra, ireo olana sy ny tantaran'ny Global Voices. Mamintina ireo tantara sy tetikasan'ny Global Voices ao anaty endrika fohy sy misy fahaizamamorona, ka tafiditra amin'izany ny lahatsary, ny sary fanaingoana, na fomba hafa. Mamokatra hetsika ety an-tambajotra sy media manaraka lohahevitra, anisany ny lahatsary Mampiroborobo ny fanjohiana eny anivon'ireo tanora ao Afrika ambanin'i Sahara, mampiasa sy miteny frantsay Mandray anjara amin'ireo fihaonana tsy tapaka atao amin'ny fiteny anglisy ety an-tambajotra ho fandrindràna asa Ny mpisoratra horaisina amin'ilay toerana dia tokony: Manana traikefa amin'ny famokarana lahatsary fohy na votoaty hafa sy hafatra misy famoronana alefa amin'ireo sehatra media sôsialy samihafa, amin'ny fiteny rehetra . Manana traikefa matanjaka amin'ny fifandraisana amin'ny teny frantsay Afaka miasa mifanaraka sy amin'ny fanajàna ny fotoana voapetraka Afaka manaporofo fanolorantena betsaka ho an'ireo soatoavina sy iraka tontonsain'ny Global Voices Hanana tombon-dahiny kokoa ireo mpirotsaka mahay fiteny hafa ankoatra ny frantsay sy anglisy. Ny Global Voices dia fikambanana iray manerantany, ary virtoaly. Ny milina manodina ny efitrano famoahambaovaon'ny Global Voices dia tarika iray ahitàna ireo tonian-dahatsoratra miasa amina ampaham-potoana , izay miasa miaraka amin'ireo mpiaramiasa sy mpirotsaka an-tsitrapo ary mpandika lahatsoratra manerana izao tontolo izao mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery izay tsy dia nisy mpiraharaha loatra teny anatin'ireo media iraisampirenena mahazatra. Tsy misy fitakiana toerana jeôgrafika ireo toerena ireo. Tsy manana birao na foiben-toerana hita maso ny Global Voices. Tokony hahatsapa ho mahazo aina tsara ireo kandidà amin'ny fametrahany ny fandaharan'ora iasàny ary hiasa anatina tontolo iray izay virtoaly tanteraka. Entaninay manokana ireo efa mpandray anjara ato anatin'ny tetikasa Global Voices amin'izao fotoana izao mba hifaninana. Toerana iasàna amina ampaham-potoana izy io ary fifanarahana ‘freelance’ no itondràna azy. Raha hifaninana: Mandefasa ny mombamomba anao (CV) voafintina sy taratasy fanehoana fahavononana nosoratana tamin'ny fiteny anglisy manasongadina ny asanao no sady manazava ny mety haha-mpirotsaka tena ilaina anao ho amin'io toerana io. Alefa amin'ny jobs@globalvoices.org , soraty eo amin'ny antony ny hoe: Social Media Global Fellow – ny anaranao . Iangaviana, ankoatry ny ny fametrahanao azy ao anatin'ny vataben'ny imailaka alefanao dia mba hataonao amin'ny endrika .doc na .pdf ny taratasy milaza fahavononana ary ampanarahana (PJ). Fetra farany fametrahana fisoratana 11:59 alina EST (GMT -4) amin'ny 14 Aprily 2023.
https://mg.globalvoices.org/2023/03/23/163363/
Tanzania : fandrosoana hita amin'ny fanavaozana ireo médias nasiônaly
2023-03-23T08:33:38
Unknown
Mpanao gazety ao Tanzania mandrakotra hetsika iray. Loharanon'ny sary ; ILRI . Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-NC-ND 2.0) Volana iray taorian'ny nanesorana ny fandraràna fivorivoriana pôlitika, nanambara dingana vaovao iray lehibe momba ny fanavaozana ny media ny governemanta tanzaniàna. Tamin'ny 9 Febroary tao Dodoma, renivohitry ny firenena, nandritra ny kaonferansa iray nataony ho an'ny gazety ,  ny minisitry ny fampahalalam-baovao, ny fifandraisana ary ny teknôlôjian'ny fampahalalam-baovao, dia nametraka fa ny governemanta dia niditra amin'ny fanovàna ny lalàna 2016 momba ny tolotra omen'ireo médias ary ny 10 Febroary no hametrahana ilay tolodalàna fanovàna mba ho dinihana voalohany ao amin'ny parlemanta. Tamin'ny 2016 no nanambaràna ilay lalàna momba ny tolotra omen'ireo media , fony teo ambany fitondran'ny filoha tamin'izany fotoana izany, avy eo dia i John Magufuli, ary natao hikendrena ireo mpanao gazety, ny mpanohitra ary ireo mpikatroka ho an'ny zon'olombelona mpanakiana ny governemanta sy ny filoham-pirenena. Io lalàna io no nitarika ho amin'ny fampitsaharana tamin'ny asany ireo mpanao gazety niisa efatra sy sehatra marobe an'ny media tety anaty tambajotra , niteraka fanehoankevitra avy amin'ireo mpikatroka ho an'ny zo izay nametraka fitarainana niombonana teny anatrehan'ny East African Court of Justice (EACJ) (Cour de Justice ao Afrika Atsinanana), rantsam-pitsaràna iray najoro niainga avy amin'ny fifaneken'ny Fiombonamben'ireo Firenena ao Afrika Atsinanana (EAC) ka isan'ireo nanao sonia izany i Tanzania. Tao anatin'ny famoahana didy manan-tantara nataony, navoakan'ny Cour de Justice ao Afrika Atsinanana ny didim-pitsaràna iray nanome rariny ireo mpitory. Nambaran'ny tribonaly fa raha toa ny andininy faha -13 sy -14 ka tsy manitsakitsaka ilay fifaneken'ny EACJ, dia tsy izany kosa ny an'ireo andalana sisa ambiny, ary nasaina ny Repoblika Mitambatr'i Tanzania mba hiantoka fa hanaja ilay fifanekena ilay lalàny momba ny tolotra omen'ireo media. Taorian'ilay fanapahankevitra, ireo mpisehatra amin'ny fampahalalam-baovao voatohina tamin'izany dia nanao tsindry tsy an-kitsahatra tamin'ny governemanta mba hirosoany tamin'ireo fanavaozana goavana an'ilay lalàna famoriporetana izay nahitàna andalana marobe manampim-bava ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny firenena. Fanapahankevitra iray nahitàna vokatra satria nampilefitra ny governemanta, nanokatra araka izany ny  làlana ho any amin'ny fandinihana indray ilay lalàna. Asehon'ny fanambaràna nataon'i Nnauye ny fiovàn'ny fomba firesaka avy amin'ny governemanta taorian'ireo fitarainana avy amin'ny Vovonan'ireo Mpanonta Vaovao ao Tanzania (TEF), izay mpandresy lahatra ao an-toerana an'ireo lehibena trano famoaham-baovao ao amin'ny firenena. Tao anaty fanavaozam-baovao iray teo aloha, Gerson Msigwa, mpitondra tenin'ny governemanta, dia nanao tsilian-tsofina hoe nahemotra ary hapetraka ho amin'ny fotoam-pivoriana parlemantera manaraka hatao amin'ny Aprily 2023  ilay volavolan-dalàna, noho ny “tetiandro tototra be” amin'izao fotoana izao eo anivon'ny parlemanta. Ireo fanamarihan'i Msigwa dia nanosika ny TEF hamoaka fanambaràna iray nanehoany ny ahiahiny manoloana ireo zavatra nambaran'ilay mpitondra tenin'ny governemanta, ka nitanisàny fa tsy ampy ireo antony mahatonga ny governemanta hikatsaka ny hanemorana ny fametrahana ilay volavolan-dalàna ho amin'ny fotoam-pivoriana parlemantera manaraka. Ny TEF dia mihevitra io fanapahankevitra io ho fikasàna ratsy ataon'ny governemanta mba hanalàna ilay volavolan-dalàna tsy ho anaty lahadinika. Notsindrian'ny minisitra Nnauye fa noho ny fanafoanana tamin'ny minitra farany ny volavolan-dalàna momba ny fiahiana ara-pahasalamàna ho an'ny rehetra izay tokony ho napetraka tao amin'ny parlemanta no nitarika ho amin'ny fiovàn-kevitra goavan'ny governemanta momba ny fametrahana ilay volavolan-dalàna momba ireo tolotra omen'ny media, singa iray nanokatra ny làlana ho amin'ny famakiana voalohany an'ilay volavolan-dalàna ao anatin'ny tetiandron'ny parlemanta. Hatramin'ny 2021 fotoana nanaovan'i Samia Suluhu fianianana hitantana ny firenena , taorian'ny fodiamandrin'i Magufuli, dia nahitàna firosoana i Tanzania tamin'ny resaka fanavaozana ara-pitsaràna ataony. Tao anatin'ny kabary pôlitika voalohany nataony tamin'ny Aprily 2021, nomen'i Suluhu baiko ny minisitry ny fampahalalam-baovao mba hanàla ireo fandraràna ny media. Raha nandray fitenena nandritra ny lanonàm-pianianan'ireo tomponandraikitra ao anivon'ny governemanta vao avy notendrena ho ao amin'ny Tranom-Panjakàna, tao Dar es-Salaam, dia nanambara izy hoe : « Reko fa toa hoe nofoanana ny fahazoandàlan'ny sasany amin'ireo trano mpamoaka vaovao, indrindra fa ireo sehatra an'ireo fahitalavitra anaty tambajotra. Avereno amin-dry zareo indray izany, tsy tokony isika no hanome azy ireo ny fahafahana hiteny fa hoe isika no manakenda ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. Saingy rehefa tafaverina amin'izy ireo indray izany, avelao ry zareo hanaraka ireo fepetra napetraky ny governemanta.» Tsy tapaka ny governemantan'i Suluhu no nampiseho ny faniriany hanalavitra ny làlan'ny fihemorana momba ilay fitantanana fahadimy, tamin'ny fanafoanana lalàna sasantsasany manempotra ny hevitra tsy mitovy sy/na tamin'ny fametrahana ireo lalàna mankamin'ny fivoarana. Tamin'ny 2022, nankatoavin'ny parlemanta tanzaniàna ny lalàna iray momba ny fiarovana ireo angondrakitra manokan'ny tena , nandefa ny firenena ho ao anaty laharana misy ireo mitovy aminy ao anatin'ny Fiombonan'ireo Firenena ao Afrika Atsinanana (EAC), toa an'i Kenya, Ogandà ary  Roandà, izay nametraka lalàna mifandraika amin'ny fiarovana angondrakitra . Intohan'ilay lalàna ny zo hanana ny fiainana manokana sy ny fiarovana ny isam-batanolona, araka izay voarakitra ao anatin'ny lalàm-panorenana tamin'ny 1977 . Tamin'ny Febroary 2023, naboraky ny filoha Suluhu fa nisy vondron'asa iray niarahan'ireo antoko pôlitika, fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ireo Tanzaniàna avy amin'ny sarangam-piainana rehetra ho atsangana amin'ny fotoana mahamety azy mba hametraka dingana vaovao fanavaozana mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana sy hampandrosoana ilay volavolan-dalàm-panorenana naato tamin'ny 2014 . Shaka Hamdu Shaka, sekreteran'ny Chama Cha Mapinduzi amin'ny resaka ideôlôjia sy dokambarotra, manipika fa ilay tosika vaovao ho fanavaozana ny lalàm-panorenana avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana (Chama Cha Mapinduzi) dia tafiditra ao anatin'ny fandaharanasan'ny filoha Suluhu mikendry ny hanamafisana ny demaokrasia sy hiarovana ny fampihavànana pôlitika ao amin'ny firenena. Ankoatra izay, nangatahany ireo ministera voakasik'izany mba hamerina hijery ireo lalàna rehetra efa voaporofo hoe mametraka sakana amin'ny fahafahan'ny firenena hanome malaky ny rariny eny anivon'ny rafi-pitsaràna. Ny governemantan'i Suluhu koa izao dia andalan'ny firotsahana amin'ny làlan'ny fanavaozana ireo rantsana mpitantana ny fifidianana io Tanzania, ny Kaomitim-pirenena misahana ny fifidianana (NEC), ary ny fanitsiana ireo lalàna mandràra ny antoko pôlitika. Tamin'ny 2021, nohamafisin'i Samia Suluhu ny fikasàny hirotsaka amin'ireo fifidianana fanao isaky ny dimy taona amin'ny 2025, fanambaràna iray nandona mafy ireo mpikambana ao anatin'ny antokony. Nandritra ny fivoriambe faha -10 nataon'ny Antoko Revôlisônera (CCM) natao tao Dodoma renivohitra, tamin'ny Desambra 2022, ilay filoha efa nitsahatra tamin'ny asany Jakaya Kikwete dia naneho imasom-bahoaka ny fanohanany ny firotsahan-kofidiana nambaran'i Suluhu.Nanambara i Kikwete fa tsy misy mihitsy fomba azon'ny mpikambana ao anatin'ny CCM atao hifaninanana amin-dramatoa Saluhu filohan'ny antoko sady filoham-pirenena mandritra ny fifidianana izay ho filohampirenena hatao amin'ny 2025 noho ny laza ananany. Raha mandresy izy, dia izy no ho vehivavy voalohany lany ho filohampirenena tamin'ny alàlan'ny fifidianana. Ireo mpanaramaso pôlitika dia nanao tsoakevitra avy amin'izany hoe tetikady pôlitika fotsiny ihany ireo tolotra naroson'i Samia hatreto. Raha nanamafy ny avy amin'ny fanoherana ry zareo, dia ho nahazo mpomba azy ho an'ireo fifidianana ho avy.
https://mg.globalvoices.org/2023/03/14/163056/
Nandresy tamin'ny Karnavaly tao São Paulo ny sekoly Samba nanoritsoritra ‘Samurai’ teraka tany Mozambika
2023-03-14T03:26:41
Unknown
Parady Mocidade Alegre tamin'ny 2023. Sary: Pikantsary avy amin'ny YouTube. Nanitsy: Giovana Fleck/Global Voices Mocidade Alegre no mpandresy goavana tamin'ny karnavaly 2023 tany São Paulo. Nahazo ny isa ambony indrindra, 270, ny sekoly samba, nandritra ny fanatambaran'isa natao ny talata teo, tao amin’ny Anhembi Sambódromo. Tamin'ny 22 febroary no nanambaràna ny mpandresy. Araka ny filazan'ny gazety breziliana, tsy mbola nahazo fandresena i Mocidade hatramin’ny taona 2014, rehefa nahazo ny fandreseny fanintelony nifanesy tamin'ny lohahevitra hoe “Andar com Fé Eu Vou, Que a Fé Não Usuma Fail”. Nandresy ihany koa ny fikambanana tamin’ny taona 2012 sy ny taona 2013. Fantatra ihany koa fa niaraka tamin’ity fandresen'ny taona ity, nitovy laharana samy faharoa i Nenê de Vila Matilde sy i Mocidade teo amin'ny fampilaharana ny sekoly samba izay nahazoana fandresena maro kokoa tamin’ny Karnavalin'i São Paulo. Tao amin'ny pejy Facebook-n'ny sekoly, nidera ny fandresena tamin'ity taona ity ny fanehoan-kevitra isankarazany, na dia ireo izay tsy nanohana an'i Mocidade aza: Parabéns Mocidade Alegre e a toda a comunidade, foi mais que merecido! Não é minha escola de coração mais tenho muito respeito e admiração. Todo o sucesso do mundo a toda a comunidade. Trabalho incrível! Arahabaina i Mocidade Alegre sy ny vondrom-piarahamonina manontolo, mihoatra noho ny mendrika izany! Tsy ilay sekoliko ao am-poko, nefa tolorako fanajana sy fankasitrahana betsaka. Ny fahombiazana rehetra eto amin'izao tontolo izao anie ho an'ny vondrom-piarahamonina manontolo. Asa mahafinaritra! Tantara an-tsehatra izay mampiseho ny tantaran'ny Mozambikana ny tantara nasongadina, antsoina hoe samurai any Japana tamin'ny taonjato faha-16. Yasuke, voalaza fa teraka tao amin'ny Nosin’i Mozambika, no mainty hoditra voalohany tonga tany Japana ary lasa samurai mainty hoditra voalohany. Na izany aza, tantara tsy dia resahina loatra ao Mozambika izany. Mitantara ny tantaran'ny mainty hoditra voalohany nitsidika an'i Japana, tamin'ny taona 1579 ny tantara. Nidera ny halehiben'i Yasuke, teo anelanelan'ny taona 1555 sy 1566 ny dihy sy ny sary fanehoana an-tsehatra. Nihaona tamin'i Oda Nobunaga i Yasuke, ilay Samurai japoney BE FITAOMANA indrindra, izay nanao azy ho mpiambina mahatoky tatỳ aoriana. Talanjona tamin'ny toetra ara-batan’ Yasuke, tatỳ aoriana i Nobunaga dia niantso azy hoe Yasuke Samurai, nanomboka nanao ny akanjo vy fiadian'ny miaramila japoney sangany izy, araka ny filazan’ny loharano sasany. Naseho tao amin'ny Sambodromo ny fomban-drazana ara-pivavahana sy ara-kolontsaina ao Japana, ny vahoaka Afrikana ary ny Jezoita Paortiogey. Nampihaingoana tahaka ny tafik'i Oda Nobunaga, mpandresy ara-tafika Japoney lehibe tamin'izany fotoana izany ny bateria.
https://mg.globalvoices.org/2023/03/18/163058/
Vehivavy Mozambikana no nandresy tamin'ny fifaninanana nahandro iraisam-pirenena tany Portiogaly
2023-03-18T09:18:16
Unknown
Tamin'ny 19 Febroary 2023, nivoaka ho mpandresy tamin'ny iray amin'ireo fifaninanana nahandro lehibe indrindra any amin’ny firenena miteny Portiogey ilay Mozambikana Sahima Hajat.  ‘Masterchef Portugual’ no iantsoana ity fandaharana ity, ary dika mitovy amin’ny fandaharana ho an’ny fahaiza-mahandro  BBC MasterChef natao tamin’ny teny Portiogey. Natrehan'ny vahiny sy sefo maro ny gala famaranana , toa an'i Hans Neuner sy João Oliveira ary Justa Nobre.  Hita ao ambadika ireo telo hafa nanao ny famaranana, Ana Isabel, Rita Costa ary Lionel Martis. Teraka tany Mozambika, Miozolomana i Sahima Hajat ary monina any Odivelas (Portiogaly). 32 taona izy ary nisoratra anarana tamin’ny “Masterchef” mba hifaninana samirery, nefa sady manara-maso tsy tapaka ny fianakaviany, satria mihevitra izy fa reny saro-piaro. Avy tamin'ny reniny sy ny renibeny ny fitiavany nahandro, mpahandro sakafo tena mahay, ary avy amin’izy ireo izy no nianatra izany mandrakariva. Nahazo dera betsaka avy amin’ny olo-malaza tao amin'ny Facebook ny loka, ​​toy ilay mpitantana iray tao Maputo Mozambika: Sahima Hajat no mpandresy tamin'ny “Masterchef Portugal”. Mozambikana izy, iray rà amin'ny taniko sy ny fianakaviako, rehareha lehibe. MIARAHABA anao ry zanak'anabavy… Tao anatin'io fanehoan-kevitra io ihany, nisy fanehoan-kevitra maromaro nanasongadina ny zava-bita azon'ilay Mozambikana. Nilaza ny iray tamin'ireo fanehoan-kevitra avy amin'ny mpisera aterineto iray fa ohatra amin'ny fomba nanasongadinana ny Mozambikana manerana izao tontolo izao izany: Porofo izany fa mahavita zavatra betsaka i Mozambika sy ny Mozambikana, miely eran'izao tontolo izao ny talenta mozambikana. Niverina tany Londres aho ary nahita sefo iray tao amin'ny iray amin'ireo trano fisakafoana tsara indrindra ary nisy Mozambikana niasa tao. Farany, maro ny ohatra amin'ny zavatra tsara avy amin'ireo olona feno fanetren-tena ireo. Naneho hevitra tamin’ny fankalazana ny fandresen'i Sahima ihany koa i David Nhassengo, Mozambikana mpanao fanatanjahantena sady mpanao gazety: Ilay Mozambikana Sahima Hajat no mpandresy lehibe tamin'ny MasterChef Portugal 2022-2023. 32 taona i Sahima ary monina ao Odivelas, nanamafy ny fitokisana azy amin'ny maha-be mpankafy azy indrindra tamin'ny famaranana teo anatrehan'ny mpitsara henjana izay tsy nanome fiderana na kely aza: “Nanatontosa izany lalana manontolo zany tsy tapaka ianao. Tena hita eo foana mihitsy ianao”, hoy ny iray amin’ireo mpikambana. “Vehivavy vaovao aho manomboka anio”, hoy i Sahima, tsikaritra fa nihetsi-po, ary nisaotra an’ireo nanohana azy nandritra ny 13 herinandro nanaovana ny fandaharana ihany koa izy. Avy aty Mozambika! Davidinho Tao amin'ny pejy ofisialy nanambaràna ny mpandresy, maro ireo mpiseran’ny aterineto no nanasongadina ny toetran’ireo mpifaninana, indrindra fa ny fanetren-tenan'i Sahima: Tiako ny nahita azy nandresy. Vehivavy lehibe i Sahima izay naneho ny tanjaka, ny faniriana ary ny fahaiza-manao, sady mihaino ny rehetra ary mianatra amim-panetren-tena sy ny hatsaram-panahy! Arahabaina ary mirary soa hatrany!! Nasongadina ho toetra lehibe toy izany ihany koa ny fanetren-tenan’ilay mpandresy: Arahabaina i Sahima! Mpandresy tsy niangarana. Miaina araka ny zava-misy, tena manetry tena ary tsy mila te hihoatra ny hafa! Ny fanetren-tena no antsasa-manilan'ny fahasambarana! Mirary fahombiazana hatrany… Miarahaba an'i Ana ihany koa, mirary soa ho an'ny rehetra. Nisy ihany koa ireo nanasongadina ny fangaraharan’ireo mpitsara izay nisafidy ireo mpandresy tamin'ity taona ity: Hery voajanahary, misongadina noho ny fanetren-tenany sy ny fahaizany mampifaly ny mpitsara nandritra ny fifaninanana tsirairay. Ohatra tsara amin'ny vehivavy mitolona izay avy amin'ny kolontsaina samy hafa tanteraka amin'ny antsika, izay zara raha misy vehivavy manana fahafahana hanatanteraka ny halehiben’izany nofinofy izany. Averiko indray, hery voajanahary. Tsara ny fandaharan’ny famokarana raha jerena fa efa hita mazava nanomboka tany am-boalohany ny fahaizan'i Sahima raha oharina amin'ireo mpifaninana hafa rehetra. Amin'ny hoavy, tsara raha tsy misy firy ny hala-tahaka amin’ny nahandro amin’ny fifaninanana famaranana. Ho an'ny ambiny, tsy misy ovaiko na iray aza ny mpitsara. Saika tonga lafatra ny fepetra, endrika faly, feno fitiavana. Arahabaina ianareo 3. Niharihary ny fanohanan’ny mpijery an’i Sahima, na teo amin’ny fanehoan-kevitra nivoaka tamin’ny famoahana ofisialy ireo mpandresy, na avy tamin’ny nambaran’ireo mpikambana nanombantombana ny sakafo nataon’ireo mpifaninana. Nandritra izany dia nanao sakafo avy any Mozambika i Sahima, fa ny nahadro misy hanitra avy any India no tena nahandro hainy manokana .
https://mg.globalvoices.org/2023/03/20/163146/
Fiovaovàn'ny toetrandro sy fitrandrahana harena an-kibon'ny tany: ony lehibe roa miala aina ao Côte d’Ivoire sy ao Mali
2023-03-20T12:15:46
Unknown
Ony Sassandra, taloha vaohodidin'ireo honko miaraka amin'ny rano feno trondro. Sary nampiasaina nahazoana alalana tamin'ny CENOZO Azo jerena ao amin'ny tranonkalan'ny CENOZO ity lahatsoratra ity. Aïssatou Fofana (Côte d’Ivoire), Abou Traoré (Côte d’Ivoire) sy Kangaye Sangaré (Mali) no nanoratra azy ao anatin'ny tetikasa “Afrika Andrefana miatrika ny fiovaovan'ny toetrandro” , notohanan'ny CENOZO. Naverina navoaka indray ity dika nasiam-panovàna ity ho ampahany amin'ny fifanarahana fiarahamiasa eo amin'ny Global Voices sy ny CENOZO. Roa amin'ireo ony lehibe indrindra ao Afrika Andrefana ny reniranon'i Sassandra sy Niger. Izy ireo no loharano fiandohan'ny rano tena ilaina ho an'ireo mponina an-tapitrisany ary fonenan'ny bibidia marobe. Mampalahelo fa ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny asan'olombelona, indrindra fa  ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany, dia miteraka voka-dratsy amin'ireo ony roa ireo, ka mahatonga azy ireo tsy ho azo onenana intsony ho an'ireo karazam-biby marobe ary manohintohina ny fiveloman'ireo izay miankina aminy. Mampatsiahy ny halehibeazan'ny zava-misy ny fanadihadiana nataonay, notontosaina niaraka tamin'ny fanohanan'ny CENOZO sy ny Ivontoerana ho an'ny Asa Fanaovana Gazetim-Panadihadiana (CIJ). Guessabo, toerana iray ao andrefan'i Côte d’Ivoire, 440 kilometatra miala an'i Abidjan, dia tanàna eo amin'ny sampanan-dalana izay nalaza ho “tanànan'ny trondro” tao Côte d’Ivoire. Ao no ahitana ireo trondro tsara sy ngeza indrindra tao amin'ny faritra : ny karazany rehetra, na ny vao tonga, na ny nasaly, amin'ny tsiro rehetra sy ho an'ny toebola rehetra. Amin'izao fotoana izao, ny fiovaovan'ny toetrandro sy ireo asan'olombelona sasany no nanimba ity asa niroborobo fahiny ity. Tamin'ny Janoary 2016, efa nampahatsiahivinay ny fomba niatrehan'ireo mpanjono an'io tranga io . Raha ny marina, nanomboka tamin'ny 2005, dia niharatsy ny toe-javatra. Ankoatra ny faharitan'ny ony, dia ny fanaovana antsokosoko ny asa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ataon'ireo tanàna manodidina no manohintohina ny fahasambaran'ny mponina manodidina ilay ony. Araka ny fanadihadiana iray nomena anarana hoe “ Hydrologie et morphologie de l’estuaire du fleuve Sassandra, Basse Côte d’Ivoire “ , nataon'ireo mpikaroka tamin'ny 2015, avy tamin'ny Anjerimanontolon'i Félix Houphouët Boigny (UFR des Sciences de la Terre et des Ressources Minières, Département de Géosciences Marines), ny Centre de Recherches Océanologiques d’Abidjan (CRO), ny Laboratoire de Physique et de Géologie Marine (PHYGEM), ary ny Centre Universitaire de Recherche et d’Application en Télédétection (C.U.R.A.T.) , ny faharitan'ny ony Sassandra dia zava-misy efa nandritra ny taona maro. Ny trangana fiovàna tampoky ny rano vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny asan'olombelona Fanadihadiana iray nataon'ireo mpikaroka avy amin'ny Anjerimanontolon'i Jean Lorougnon Guédé ao Daloa (tanàna ao Afovoany-Andrefan'i Côte d'Ivoire), no nanasongadina ny maha-poizina ny rano ao amin'ny ony Sassandra izay tokony hamatsy rano fisotro, avy any ambony amin'ny tohodrano Buyo , an'ireo tanàna ao amin'ny faritra Sassandra Ambony sy ny departemantan'i Duekoué. Asehon'ny valin'io fikarohana io fa : “Ireo zavatra fampiasa amin'ny fambolena, ny asa fitrandrahana volamena sy ireo fakon-dakozia dia mitarika fandotoana be ny rano ao amin'ity ony ity mitondra ireo singa metalika (ETM)”. Mampitombo izany, hoy ny fanazavan'ireo mpikaroka, “ny fandotoan'ireo metaly ny rohivoary anaty rano vokatry ny fanitarana tanàn-dehibe, ny fambolena, ireo asa fitrandrahana volamena ary, amin'ny lafiny kely kokoa, ny fampiroboroboana ara-indostrialy”. Ny fehinkevitra iray hafa amin'ny valin'ity fikarohana ity dia milaza fa “ny habetsahan'ny merkiora sy ny varahina avo loatra ao anatin'ny antsanga ao amin'ny ony Guessabo dia mety miteraka loza ary mahatonga ireo antsanga ireo ho loharanon'ny fandotoana avy ao anaty “. Hisy voka-dratsy ho an'ny fahasalaman'ny tsirairay mihinana trondro avy amin'ilay ony sy ny rano avy eo amin'ny tohodrano izany. Singa iray hafa, ny fikorontanan'ny rohivoary ao anatin'ilay ony vokatr'ireo asa ireo, ka manome vahana ihany koa ny fanjavonan'ny karazan-trondro sasany . Antony,  “afaka hiditra ao anaty tsanganana misy ny rano ireo loto metaly rehefa ampy ny fepetra ka miteraka ihany koa ireo vokatra ratsy eo amin'ny kalitaon'ny rano sy ny fiainana anaty rano”. Ny fitomboan'ny merkiora – metaly iray ahitana tsiranoka miloko toa volafotsy izay singa tena poizina – “voarakitra ao anatin'io faritra io dia tsy isalasalana fa avy amin'ireo asa lehibe ataon'ny olombelona, tsy inona fa ny fambolena (famonoana bibikely, fanafody famonoana holatra, famonoana bakteria, famonoana ahi-dratsy), ny loko, ny fampiasana ireo fitaovana mandeha herinaratra sy ireo vokatry ny fanamboarana fanafody ho an'ny olombelona. Ny faharatsian'ny fitantanana ny fako ao amin'ilay faritra no heverina ho fototr'io fandotoana io”, hoy ny tatitry ny fanadihadiana. Ny loza ara-tontolo iainana izay mety hiteraka ny fandotoana ilay ony, ny rano ambanin'ny tany, izany hoe ny rano milevina. Ny faniriana hahazo volamena betsaka no manosika ireo mpitrandraka volamena hampiasa tafahoatra ireo fomba ara-teknika rehetra tsy ara-dalàna (fikaohana, milina vaventy, sy ny sisa…) sy ireo vokatra misy poizina (merkiora, cyanure…) izay, araka ny tatitry ny Évaluation Initiale de la Convention de Minamata (Tombana tany am-piandohana araka ny Fifaianrahana Minamata), miparitaka eny amin'ny rivotra mandritra ny fandorana ny feta merkiora-volamena, ao anatin'ireo rano sy tany mandritra ny dingana fampifangaroana ho feta ireo mineralim-bolamena, dia loza iray mitatao ho an'ny tontolo iainana sy ho an'ny olona. Ny ony Sassandra ao Côte d'Ivoire dia tsy tranga manokana amin'ny fandotoana vokatr'ireo asa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany sy iharan'ny vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro. Miaina fikorontanana mitovy amin'izany ny ony Niger ao Mali . Ambanan'ny fitrandrahana volamena ihany koa ny ony Niger ao Mali Hatramin'ny 2001, i Mali no fahatelo mpamokatra volamena lehibe indrindra ao amin'ny tanibe, aorian'i Afrika Atsimo sy Ghana. Tao anatin'ireo taompolo vitsy farany, nihanitombo ny hazakazaka hanana volamena ary ho setrin'izany dia niroborobo ny toerana fitrandrahana volamena araka ny fomba nentim-paharazana. Ao amin'ny faritr'i Sikasso (faritra Yanfolila), ao amin'ny faritanin'i Koulikoro, na koa ao Kayes, dia mandoto ireo ony io asa fitrandrahana volamena io, amin'ity tranga ity, ny ony Niger izay ny 42% ny halavàny manontolo no mamakivaky an'i Mali araka ny tatitra mikasika ny toetoetry ny ony Niger ao Mali. Mbola tao anatin'io tatitra io hatrany dia voalaza fa io no loharanon-drano lehibe indrindra ho an'ny firenena ary Maliàna telo amin'ny efatra no mipetraka ao amin'ny lemak'i Niger ka mivelona amin'ny fomba isankarazany avy amin'ny harenany. Ny fitrandrahana volamena amin'ny alalan'ny fikaohana amin'ny rano, izay asa miompana amin'ny fanivanana volamena tavela ao anaty fasika, vatokely ary tany any amin'ireo làlan-drano dia tena fanao be ao an-toerana ihany koa. Izy io dia atao miaraka amin'ny taharo simika toy ny merkiora sy ny cyanure. Ny fikaohana amin'ny rano dia loza goavana mitatao ho an'ny renirano sy ireo karazam-biby monina ao anatiny. Manoloana io loza ara-tontolo iainana io, naaton'ny governemanta Maliàna mandritra ny 12 volana nanomboka tamin'ny 15 May 2019 ireo asa fitrandrahana volamena mampiasa fikaohana amin'ny rano any amin'ireo renirano ao Mali. Saingy very maina ny ezaka fa vao tapitra ny fe-potoana, dia niverina nanao ny asany indray ireo mpankafy ny fikaohana mampiasa rano. “Na  tena aato tanteraka aza ny asa fitrandrahana volamena tany amin'ireo renirano tao Mali, dia tsy maintsy miandry 20 taona vao hadio ny rano. Ny fitrandrahana volamena amin'ny alalan'ny fikaohana amin'ny rano eo amin'ny reniranon'i Niger dia mampitombo ny fikorontanan'ny rano, mahatonga ny rano ho tsy mety amin'ny fanondrahana ary mahatonga ny trondro tsy ho hita intsony ao anaty rano ” hoy ny fanazavan'i Pr. Adama Tolofoudié, Mpampianatra-Mpikaroka, amin'ny Anjerimanontolon'ny Siansa, Teknika ary Teknolojia ao Bamako (USTTB). Manahirana be ny fitrandrahana volamena ao Mali ary goavana ny fiantraikany Ny mponina manamorona ny Yanfolila ao amin'ny faritr'i Sikasso sy Kangaba, ao amin'ny faritr'i Koulikoro, dia manamafy fa tsy azo atao ny mampiasa ny rano avy amin'ilay ony, afa-tsy ho amin'ny fanasana lovia sy lamba ihany. “Tena iharany ary matetika marary ny mponina ary tsy fantatra izay maharary azy. Avy eo , ampiasaina hitsaboana tena ny vola rehetra azo amin'ireo toerana ireo”, hoy ny fitantaran'i Fatoumata Traoré, mpampianatra ao Yanfolila. Na eo aza ity fandotoana goavana ny ony ity, vokatry ny antony maro hafa ankoatra ny fitrandrahana volamena, toy ny avy any an-tokantrano, ny fambolena, ny fitaterana, ary ny asan'ny indostria sy artizanaly, dia mbola sahirana ireo tompon'andraikitra amin'ny fandraisana fanapahankevitra hentitra hamahana io olana io. Manampahefana iray avy amin'ny iray amin'ireo toerana izay notsidihinay no nilaza taminay fa isaky ny mitranga ny fifandirana eny amin'ny toeram-pitrandrahana iray, dia afindran'ny manampahefana ny governora voakasika mba tsy ho voakitikitika. Ho azy, “manahirana be ny tantara manodidina ny fitrandrahana volamena ao Mali ary goavana ny voka-dratsiny”. Mampatahotra ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro amin'ireo ony Sassandra sy Niger. Ny fidangan'ny hafanana, ny trangana toetrandro mahery vaika, ny fitomboan'ny antsanga sy ny tsy fahampian-drano dia misy fiantraikany ratsy avokoa eo amin'ny rohivoarin'ireo ony ireo, ka mahatonga azy ireny ho tsy azon'ireo karazam-biby anaty rano iainana intsony ary manohintohina ny fiveloman'ny olona miankina amin'izany.
https://mg.globalvoices.org/2023/03/15/163041/
Miditra an-tsehatra eo amin'ny tontolo politika ny vehivavy eto Afrika
2023-03-15T02:40:52
Unknown
Sarin'i Ellen Johnson Sirleaf. Pikantsary tao amin'ny fantsona YouTube an'ny The Guardian Toerana bitika no avelan'ny lalao politika ho an'ny vehivavy aty Afrika, sy any an-kafa. Na izany aza, mitatitra vehivavy roa ambin'ny folo ny kaontinanta, anisan'izany ny vehivavy nitarika nisolo toerana fito avy amin'ny firenena 10 amin'ny fitambaran'ny vehivavy enimpolo eran-tany nitàna io toerana io. Iray amin'ireo mpisava lalana amin'ity sehatra ity i Ellen Johnson Sirleaf , teraka tamin'ny taona 1938: Filohan'i Liberia nanomboka tamin'ny 16 Janoary 2006 ka hatramin'ny 22 Janoary 2018, izy no filoha vehivavy voalohany voafidy tamin'ny fifidianana eran-tany taty Afrika. Mpahay toekarena tamin'ny fiofanana, niasa ho Sekreteram-panjakana misahana ny Fitantanam-bola izy, ary minisitry ny Fitantanam-bola teo anelanelan'ny 1979 sy 1980. Nanamafy ny fanoloran-tenany hiady amin'ny jadona ao amin'ny firenena ny fanonganam-panjakana nataon'ny filoha teo aloha Samuel Doe tamin'i William Richard Tolbert , filoha tamin'izany, izay namoy ny ainy niaraka tamin'ny minisitra telo ambin'ny folo. Nalefa an-tsesitany an-keriny, niverina nanohitra ny fitondran'i Doe izy. Norahonana ho faty, niverina tany Etazonia izy tamin'ny taona 1985 mba hanohy ny fianarany, talohan'ny niverenany indray tamin'ny taona 2005 mba hirotsaka ho fidiana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ho an'ny Parti de l'Unité (Antokon'ny Firaisankina) ka nahazoany vato 59,4% tamin'ny 8 Novambra 2005 manoloana an'i George Weah , mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena Liberiana teo aloha. Taorian'ny nahavoafidy azy, dia miezaka ny hanala ny tanindrazany ao anatin'ny lisitry ny Pays Pauvres Très Endettés (PPTE) ( Firenena Mahantra Be Trosa ) izy. Voafidy indray izy tamin'ny taona 2011 ho an'ny fe-potoam-piasana faharoa izay nifarana tamin'ny Janoary 2018. Mavitrika ao amin'ny kaontiny Twitter izy: As president, I fought for all girls to have free & compulsory primary #education . On #IDWGIS , I urge all African leaders to prioritise access to #STEM education & careers for women & girls, which will help build an inclusive & sustainable future for our continent. https://t.co/CpMOXdxEUq — Ellen Johnson Sirleaf (@MaEllenSirleaf) February 11, 2023 Amin'ny maha filoham-pirenena ahy, dia niady aho mba hananan'ny zazavavy rehetra # fianarana ambaratonga fototra maimaim-poana sy tsy maintsy atao. Ao amin'ny # IDWGIS , mamporisika ny mpitondra Afrikana rehetra aho mba hanao ho laharam-pahamehana ny fidirana amin'ny fanabeazana sy ny fikarakarana ny # STIM ho an'ny vehivavy sy tovovavy, izay hanampy amin'ny fananganana hoavy iraisana sy maharitra ho an'ny kaontinantantsika. Afrikana miavaka iray hafa i Joyce Banda , teraka tamin'ny taona 1950, ary filoha lefitr'i Malawi teo ambany fitarihan'i Bingu wa Mutharika : lasa filoham-pirenena taorian'ny fahafatesan'ity farany tampoka izy tamin'ny 7 Aprily 2012 ity, ary nitondra ny firenena nandritra ny roa taona. Nandritra ny fe-potoam-piasany dia nikasa hamerina ny fifandraisana tsara amin'ireo firenena mandroso izy, indrindra amin'ny fanafoanana ny fitontongan'ny kwacha (vola Malawi) mba hahafahana manohy indray ny fanampiana iraisam-pirenena. Mampanantena ihany koa izy fa hampitsahatra ny fanasaziana ny fiarahan'ny samy lehilahy na samy vehivavy , iray amin'ireo fepetra napetraky ny mpitondra tandrefana amin'ny famerenana indray ny fanampiana ho amin'ny fampandrosoana. Na dia nahazo ny fampiatoana ny lalàna manameloka ny fiarahan'ny samy lehilahy na samy vehivavy aza izy tamin'ny volana Novambra 2012, dia tsy nisy lalàna nanafoana ny lalàna taloha. Tamin'ny taona 2013, notondroin'ny Forbes ho vehivavy faha-47 mahery indrindra eran-tany, vehivavy manan-kery indrindra eto Afrika izy. Mbola mavitrika ara-politika eo amin'ny sehatra Afrikana i Banda: anisan'ny delegasionan'ny International Republican Institute (IRI) sy National Democratic Institute (NDI) izy tamin'ny fanarahamaso ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin'ny 25 Febroary 2023 tany Nizeria. #NigeriaElections2023 NDI/IRI joint Nigeria elections observation mission. The @NDI / @IRIglobal Joint Election Observation Mission presented its preliminary statement about the February 25 presidential and National Assembly elections. Proud to be part of this successful mission. pic.twitter.com/8EIh3l9AaK — H.E. Dr. Joyce Banda (@DrJoyceBanda) February 27, 2023 #NigeriaElections2023 Iraka fanarahamaso iraisana NDI/IRI ny Fifidianana. Namoaka fanambarana savaranonando momba ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka tamin'ny 25 febroary ny @NDI / @IRIglobal misahana ny fanarahamaso ny fifidianana. Mirehareha amin'ny maha-isan'ity iraka nahomby ity. Vehivavy roa hafa no voafidy ho filoham-pirenena any Afrika: Sahle-Work Zewde izay voafidin'ny Antenimieram-pirenena Etiopiana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 25 Oktobra 2018. Izy no vehivavy voalohany nitàna io toerana io, ary iray amin'ireo vehivavy roa lehibem-panjakana eto amin'ny kaontinanta afrikanina. Nitantana ny fiadidian'ny nosy Maorisy i Ameenah Gurib-Fakim tamin'ny volana Jona 2015 ka hatramin'ny taona 2018. Mpahay simia sy mpikaroka malaza momba ny fitsaboana amin'ny zava-maniry (phytotherapie) sy ny tontolon-javamiaina, niasa tamin'ny fanentanana momba ny fiakaran'ny mari-pànan'ny toetrandro izy. Filohan'ny tetezamita Vehivavy hafa koa no efa nitànta ny toerana maha filoha tamin’ny tetezamita politika. Cathérine Samba Panza no nitarika ny Repoblikan’i Afrika-Afovoany nandritra ny krizy nanomboka tamin’ny Janoary 2014 ka hatramin’ny Martsa 2016, taorian’ny fametraham-pialan’ny filoha Michel Djotodia. Mpikatroka ny zon'ny vehivavy, nandresy an'i Désiré Kolingba , zanaky ny filoha teo aloha André Kolingba izy. Ny hafany voalohany dia ny fiantsoana ireo mpikomy hametraka ny fitaovam-piadiany mba hiara-manorina ny firenena. Izy koa no vehivavy Afrikana-Afovoany voalohany lasa filoham-panjakana. Nanambara ny tenany ho kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena ihany koa i Panza izay tsy manana antoko politika tamin'ny volana Aogositra 2020, saingy 0,9%-n'ny vato monja no azony. Nampitain'ny Rfi tao amin'ny kaontiny twitter ny hafany. 💬🇨🇫 «Face à la dégradation de la situation sécuritaire et humanitaire de la #Centrafrique , de nombreux appels m’ont exhorté à solliciter à nouveau le suffrage de mes compatriotes.» Catherine Samba-Panza, candidate à la présidence. ►Invitée Afrique de @Kpenahiss #RFImatin 👇 pic.twitter.com/rw6EBxavVE — RFI (@RFI) August 31, 2020 “Manoloana ny fiharatsian'ny toe-draharaha ara-pilaminana sy maha-olona ao amin'ny #Repoblika #Centrafrique , marobe ny antso nanentana ahy mba hiditra indray hahazo ny fandatsaham-baton'ny mpiray tanindrazana amiko.” Catherine Samba-Panza, kandidà ho filoham-pirenena. Tany Afrika Atsimo, filoha vonjimaika nandritra ny iray andro nanomboka tamin’ny 24 ka hatramin’ny 25 septambra 2008 i Ivy Matsepe-Cassaburi . Torak’izany koa i Carmen Pereira , izay nitarika ny Parlemanta cap-verdiana (mbola tafaray tamin’i Guinée-Bissau i Cape Verde tamin'izany) nanomboka tamin’ny taona 1975 ka hatramin’ny taona 1980 ary nitàna ny toeran'ny filoha nandritra ny telo andro tamin'ny taona 1984. Tany Burundi, praiminisitra i Sylvie Kinigi , teraka tamin'ny taona 1952, nanomboka ny 10 Jolay 1993 ka hatramin'ny 7 Febroary 1994, avy eo Filoha Vonjimaika nanomboka ny 27 Oktobra 1993 ka hatramin'ny 5 Febroary 1994. Nanosika azy hitàna ireo toerana roa ireo ny kisendraseran'ny ady an-trano. Tamin'ny volana Janoary 1994, nofidìn'i Parlemanta ho filoha i Cyprien Ntaryamira, nametra-pialana tsy ho Praiminisitra i Kinigi ary nandao ny firenena. Tany Gabon, Rose Francine Rogombé amin'ny maha-filohan'ny Antenimieran-doholona azy, no filoha vonjimaika nanomboka tamin'ny volana Jona ka hatramin'ny Oktobra 2009, taorian'ny nahafatesan'ny filoha Omar Bongo tamin'ny 8 Jona 2009, fotoana nanomanana ny fifidianana izay nandresen'i Ali Bongo, zanaka lahin'ny filoha efa maty. Rehefa avy nitarika tetezamita fakan-tahaka amin'ny fikarakarana fifidianana izy dia nanohy ny asany tao amin'ny Antenimieran-doholona. Amin'ny maha-filohan'ny Fikambanan'ny Mpitsara Gaboney azy, sy Sekreteram-panjakana misahana ny Fampandrosoana ny Vehivavy tamin'ny taona 1980, dia namirapiratra izy tamin'ny asa ara-politika fakan-tahaka. Maty tamin'ny volana Aprily 2015 teo amin'ny faha-73 taonany izy. Filoha mpisolo toerana tao amin'ny Filankevitry ny Fanjakana Liberia i Ruth Perry nanomboka ny 3 Septambra 1996 ka hatramin'ny 2 Aogositra 1997, taorian'ny ady an-trano voalohany tao amin'ny firenena. Araka ny hita tokoa, nifampiraharaha momba ny fampitsaharana ny ady teo amin'ireo ankolafy niady tao Liberia ny Fiarahamonina Ara-toekaren'ny Firenena Afrikana Andrefana (CEDEAO) tamin'ny 18 aogositra 1996 ary nanambara fa hisolo an'i Wilton Sankawulo ho Filohan'ny Filankevitry ny Fanjakana ao anatin'ny governemanta vonjimaika i Perry. Nahitana vehivavy mpitantana ny raharaham-panjakana ihany koa i Tanzania . Lasa vehivavy voalohany nitarika ny firenena i Samia Suluhu Hassan taorian'ny nahafatesan'i John Magufuli tao Tanzania . Voafidy ho filoha lefitra tamin’ny taona 2015 ary voafidy indray tamin’ny taona 2020, hitàna izany toerana izany izy hatramin’ny taona 2025. Mampiseho ny herin’ny vehivavy mpanao politika aty Afrika ireo ohatra ireo, na dia mbola vitsy an’isa ry zareo amin’ity sehatra ity.
https://mg.globalvoices.org/2023/03/20/163288/
Ao Mali, ny mozika no manome ny sarin'ilay firenena
2023-03-20T03:00:50
Unknown
Saripika ahitana an'i Salif Keita ao amin'ny fantsony YouTube Ananan'i Mali ny karazana mozika tena marolafy noho ny fanànany foko maro samihafa, fiteny sy kolontsaina isankarazany. Lasa iray amin'ireo toerana avo fanandratana ny vakoky ny mozikan'i Afrika araka izany ilay firenena. Efa hatrany amin'ny fahaleovantenany tamin'ny 22 Septambra 1960 no niainga io faniriany  hamaritra amin'ny ampahany ny tenany amin'ny alàlan'ny kolontsainy io : avy hatrany ireo manampahefana tamin'izany fotoana izany dia nametraka pôlitika nikendry ny famoronana sy ny fampielezana ny maripamantarana nasiônaly maliàna, loharanon'ny maha-ara-drariny. Araka izany, nambaran'i Modibo Kéïta, filohampirenena voalohany tao Mali, tao anatin'ny kabariny nataony tao amin'ny kianja filalaovana tao Bamako tamin'ny 9 Jolay 1967, nandritra ny famaranana ny « herinandrom-pirenena ho an'ny tanora » fa : « Tsy misy fahaleovantena ho velona raha tsy misy ny fanavaozana ara-kolontsaina. Tsy misy ny tena firenena, tsy misy vahoaka, raha tsy manana ny kolontsain'ny tena manokana ». Io finiavana pôltika io no nanosika ireo Maliàna hampiroborobo ny maripamantarna manokana azy tamin'ny alàlan'ny mozika indrindra indrindra. Rehefa nekena ho isan'ny vako-pirenena , ireo zavamaneno ampiasain'io mozika io no voalohany mampiavaka azy, toy ny n’goni (zavamaneno mampiasa tady tsaingohana), ny kora (zavamaneno mampiasa tady), ny balafon (zavamaneno velesina) ary ny dumdum (fitambarana zavamaneno maromaro velesina) izay mahatonga ny famokarana mozika ao amin'io firenena io hiavaka manokana. Ity lahatsary ity dia ahitàna ny kora lalaovin'i Toumani Diabaté sy ny zanany lahy Sidiki Diabaté, roa samy goavana amin'ny fiangaliana io zavamaneno io: Misy vehivavy ihany koa milalao io zavamaneno io, toy ny asehon'ity lahatsary ity: 5+ sleeps until 5th birthday on April 7. To get in the mood, here a sneak preview of the excitement. Madina Ndiaye from Mali, the first female kora player, playing music composed for us, but there is a surprising twist. Curious? Join us by sending an Email to hello@voice.global pic.twitter.com/r19VTM1RGP — Voice (@voicetweetz) April 2, 2021 alina 5+ mandra-pahatongan'ny tsingerintaona fahadimy amin'ny 7 Aprily. Mba ho tafiditra tsara ao anaty ambiansy, indro ny topimaso amin'ny fientanentanana. Madina Ndiaye avy ao Mali, voalohany vehivavy mpilalao kora, milalao mozika noforonina ho antsika, saingy misy zava-tsy ampoizina. Liana ve? Miaraha aminay, mandefasa imailaka amin'ny hello@voice.global — Voice (@voicetweetz) 2 Aprily 2021 Amin'ny lafiny iray, ireo mozika ao Mali dia nipoitra avy amina fiangaly hafa marobe, toy ny hiran'ireo mpihaza , ny mozikan'ny wassoulou , ny antsan'ireo griots (olona voatokana hanao ny fiderana sy ny fitanisàna ireo fitantaràna ara-tantara mankalaza ireo maherifo tao Afrika Andrefana). Mozika iray nahatohitra ny fitsokan'ny rivotry ny vaninandro maoderina Hain'ireo gadona nentindrazana tao Mali ny nitety vanim-potoana. Tamin'ny alàlan'ireo mpandova sy ireo taranaka griots no nanaovany izany, toa an'i Mamadou Diabaté , Ganda Fadiga , Toumani Diabaté , Babani Koné , Ami Koïta . Indro hira iray an'i Mamadou Diabaté manaingo tsara mihitsy ny fampiasàna ireo zavamaneno nentindrazana: Toy izany koa, ity hiran'i Ami Koïta ity, izay mpandova mendrika an'ireo griot : Misy ireo anarana goavana hafa eo amin'ny mozika maliàna, izay tsy voatery ho griots na taranaky ny griots, no nambabo izao tontolo izao tamin'ireo gadona nentindrazana nolovain-dry zareo. Azo tanisaina amin'izany ry Salif Keïta , olona varira mpiangaly mozika no sady mpikatroka, fantatra noho ny tolona ataony ho an'ny zon'ireo mitovy aminy sy ny ady ataony manohitra ny tsy rariny eto amin'izao tontolo izao. Rakikira 14 no efa voasorany, ka ny farany indrindra “ Un autre Blanc ” (Fotsy iray hafa) dia nivoaka tamin'ny 2019. Miresaka momba izay ny Tv5 Monde ao amin'ny Twitter: C'est un ambassadeur de la musique malienne dans le monde. 50 ans de carrière nationale, continentale et internationale. Salif Keita sort un 14è album. On chuchote qu'il s'agirait du dernier. Son titre “Un autre Blanc”… pic.twitter.com/vW1veO3ZNA — Le journal Afrique TV5MONDE (@JTAtv5monde) February 2, 2019 Masoivoho iray ho an'ny mozika maliàna izy manerana izao tontolo izao. 50 taona niasàna teo amin'ny sehatra nasiônaly, manerantany sy tao amin'ny tanibe. Mamoaka ny rakikirany faha-14 i Salif Keïta. Mandeha ny resaka fa hoe io no farany. “Un autre Blanc” (Fotsy iray hafa” no lohateniny — Le journal Afrique TV5MONDE (@JTAtv5monde) 2 Febroary 2019 Ampangain'i Salif Keïta ihany koa ny ady sy fifandirana manerana izao tontolo izao, ary amin'ny alàlan'ilay hirany hoe Siria, eto izy dia manome voninahitra ireo niharan-doza Ao anatin'ity rojon'artista ity dia ahitàna ireo anarana hafa toy ny an'i Ali Farka Touré nodimandry tamin'ny 2006, nahazo loka Grammy Awards roa (tamin'ny 1994, tamin'ilay hira “Talking Timbuktu”, niaraka tamin'i Ry Cooder, ary tamin'ny 2006 tamin'ilay hira “In the Heart of the Moon”, niarahany nandrakitra tamin'ilay mpiangaly kora Toumani Diabaté), Khaira Arby , Vieux Farka Touré (zanak'i Ali Farka Touré), Habib Koité , Boubacar Traoré , Rokia Traoré , hita nisongadina teo amin'ny faha-23 taonany tamin'ny 1997 nandritra ny fetibe Mozika Safiotra tao Angoulême – Frantsa, Samba Touré sy Oumou Sangaré , ilay diva mirotsaka miady ho an'ny vehivavy ary efa nahasoratra rakikira mihoatra ny folo. Toa an'i Salif Keita, Sangaré ihany koa dia mpikatroka no sady mpiangaly mozika, araka ny asehon'ity bitsika ity: #People #Musique #Oumou_Sangaré est l’une des représentantes de la musique africaine dans le monde. Avec plus de 10 albums sortis, elle est également une personnalité engagée dans la défense des droits des femmes et se bat contre les problèmes qui affligent l’Afrique. pic.twitter.com/ZsIzNYbS8y — People223.com (@People2231) October 20, 2022 #People #Musique #Oumou_Sangaré dia iray amin'ireo mpisolo tena ny mozika afrikàna manerana izao tontolo izao. Miaraka amin'ireo rakikira mihoatra ny folo efa navoakany, izy dia olona iray ihany koa mirotsaka amin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy, ary miady manohitra ireo olana mandetika an'i Afrika. pic.twitter.com/ZsIzNYbS8y — People223.com (@People2231) 20 Oktôbra 2022 Indro ny lahatsary iray avy amin'ilay lohateny Wassulu Don , notsongaina tao amin'ilay rakikirany farany: Tamin'ny 2018, ity tena diva ho an'ny mozika maliàna ity no nankalaza ny faha-30 taona niakarany an-tsehatra, nandritra ny kaonseritra iray goavana natao tao Bamako tamin'ny Desambra, niarahana nanatontosa tamin'ny  Radio France Internationale (RFI). Musique: la chanteuse malienne Oumou Sangaré fête ses 30 ans de carrière https://t.co/1PZI6mXR3n pic.twitter.com/sCmW0MpoKW — RFI Afrique (@RFIAfrique) December 27, 2018 Mozika: Mankalaza ny faha-30 taona niakarany an-tsehatra ilay vehivavy maliàna mpihira: Oumou Sangaré https://t.co/1PZI6mXR3n pic.twitter.com/sCmW0MpoKW — RFI Afrique (@RFIAfrique) 27 Desambra 2018 Ny mozika maliàna dia fantatra ihany koa amin'ny alàlan'ireo olomalaza toa an'i Amadou sy Mariam Bagayogo , ireo « mpivady jamba » namorona ny Beaux dimanches ( tao Bamako), izay manao fitetezam-paritra iraisampirenena ihany koa. Indro ny lahatsary iray amin'ny hiran-dry zareo malaza mitondra ny lohateny hoe “Je pense à toi” (Any aminao ny saiko) : Fahasamihafàna ara-poko,  fahamaroan'ny mozika Ahitàna foko samihafa ny vahoaka maliàna, ka ny maro an'isa amin'ireo dia ry zareo Bambaras , ny Bobos , ny Bozos , ny Dogons , ny Khassonkés , ny Mandingues , ny Miniankas , ny Peuls , ny Sénoufos , ny Soninkés , ny Songhaïs , ny Touaregs , ary nys Toucouleurs . Miisa 70 ny fiteny nasiônaly ao amin'ny firenena, ary ireo tena fiteny fototra dia ny Bambara sy ny Peul. Izany no manazava ny fahasamihafàn'ny vakoka mozikany. Araka izany, ny mozika mandingue izay hita ihany koa any amin'ireo firenena hafa toa an'i Ginea sy  Côte d'Ivoire, dia tafiditra ho isan'ireo mozikan'ny foko ao Mali. Tahàka izay ihany, ny mozika dogon , mazàna adino ao anatin'io vakoka manankarena io, dia tena maro kazarana ihany koa. Izy io dia ampifamatorina akaiky amin'ireo fombafomba samihafa : fampakarambady, fandevenana. Taorian'i Kadja Lélé , bekotro maroholatra tamin'ity sehatra ity, ilay tanora mpihira Déné Issébéré no lasa mpilanja fanevan'io kolontsain'ny mozika dogon io, na ao Mali izany na ivelan'ny sisintaniny. Saingy mihoatra ny faritry ny maha-nentindrazana azy ity mozika ity, araka ny anehoan'ilay reggaeman Koko Dembélé azy: Tena ankafizina any ivelan'ny sisintany maliàna, ny mozika touareg dia nahavita nametraka ny tenany manokana, indrindra fa tamin'ny alàlan'ny blues touareg . Ny tarika Tinariwen no misolo tena azy, tarika nisava làlana io fironana mozikaly io, inty ny lahatsary iray: Any anivon'ireo Am-pielezana Hita sy mavitrika ihany koa ao Eorôpa sy any an-toerana hafa ry zareo Maliàna, ary mandray anjara amin'ny fampitomboana laza ny mozina maliàna manerana ny tany. Izany no ataon'i Oumar Koïta , efa nahazo ny zom-pirenena Alemàna, na koa i Mokobé , Maliàna avy ao Frantsa nahavita nametraka ny tenany ao anatin'ny tontolon'ny gadona rap . Mokobé dia niaraka niasa tamina artista afrikàna marobe, araka ny asehon'ity fiarahana niasa tamin'i Viviane N'Dour ity. Ballaké Sissoko koa dia niaraka niasa tamina mpiangaly mozika marobe, toy ilay mpitendry lokanga Vincent Ségal na ilay mpitendry pianô Ludovico Einaudi no sady nampahafantatra ihany ny kora sy ny kolontsaina maliàna. Lavitra an'ireo fitsaratsaram-poana mandoko ilay firenena h o toy ny  firenena iray miaina ady sy anjakan'ny tsy fahamarinan-toerana ara-pôlitika sy ara-piarovana, amin'ny alàlan'ny hatsaràny sy ny harena ara-kolontsaina sy ara-pitenenna ananany, Mali dia mandray anjara amin'ny fametrahana vakoka mozika erantany. Raha mila lisitra filalao feno amin'ireo mozika maliàna dia eto mijery . Misy lisitra hafa ho an'ny mozika erantany nataon'ny Global Voices ho azo idirana amin'ny alàlan’ ity kaonty Spotify Global Voices ity.
https://mg.globalvoices.org/2023/03/14/163180/
Nanova ny tetikadiny hiatrehana ny fanafihan'ireo jihadista i Burkina Faso
2023-03-14T02:11:48
Unknown
Sarintanin'i  Burkina Faso, pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube an'ny France 24 Mizaka fifandirana mitam-piadiana sy fikomiana jihadist a efa hatramin'ny 2015, rembin'ny tsy fahamarinan-toerana ara-pôlitika sy ara-piarovana hatrany i Burkina Faso. Toa manandrana tetikady vaovao ny governemanta amin'ny fanasàna an'i Rosia , fa tsy i Frantsa, sy tamin'ny niantsoany ireo mpirotraka an-tsitrapo hiaro ny firenena. Fifandimbiasana fanonganam-panjakana Hatramin'ny taona 80, tetezamita pôlitika feno herisetra hatrany no nanamarika an'i Burkina Faso. Tamin'ny 1987, Blaise Compaoré no tonga teo amin'ny fitondràna, taorian'ny fanonganam-panjakàna iray nataony tamin'ilay rain'ny revôlisiôna borkinabe Thomas Sankara. Taorian'ny nionganany tamin'ny  2014,  Conseil National de Transition (CNT) no mitantana ny firenena, izay niharan'ny fikasàna fanonganam-panjakana iray hafa tamin'ny Septambra 2015. Volana vitsy taorian'izay, ny Desambra 2015, lany ho filoham-pirenena i Roch Marc Chritian Kaboré taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Saingy io vanimpotoana io no nanamarika ny fiandohan'ny krizy ara-piarovana izay mitohy hatramin'izao. Kaboré, voafidy indray tamin'ny 2020 ho amin'ny fepotoam-pitondrany faharoa, dia voatery nametraka fialàna tamin'ny 2022 noho ny tsindry nataon'ny tafika. Niaina fanonganam-panjakana iray vaovao indray ny firenena tamin'ny Janoary 2022 . Paul-Henri Sandaogo Damiba no naka ny fitantanana ny firenena, saingy tsy nanana afa-tsy valo volana nipetrahana ho filohan'ny tetezamita. Ny 30 Septambra 2022, nesorin'ny fanonganam-panjakana iray hafa koa izy , notarihan'ny kapiteny Ibrahim Traoré . Nanambara fanavaozana marobe ilay filoha vaovao:  ny iray ao anivon'ny tafika ary ny iray hafa ho fampihenana ny isan'ireo antoko pôlitika . Mikasa ihany koa ny governemanta tetezamita ny hiantehitra amin'ny olompireneny, fa tsy ireo mpiara-mitantsoroka stratejika taminy fotsiny, toa an'i Frantsa, mba hampitsaharaa ny krizy ara-piarovana. Na eo aza ireny fepetra ireny, mbola mitohy mizaka ireo fanafihana mahafaty ataon'ny jihadista hatrany ny firenena, fanafihana mifamatotra amin'ny ady ao Sahel izay ifanaovana fanjakàna maro amin'ny al-Qaïda sy ny Fanjakàna Islamika efa nandritra ny roapolo taona. Tratr'io ady io ihany koa i Burkina Faso, noho izy misy foko sy finoana maro mifangaro. Manana mponina miisa 20 tapitrisa , mitsinjara anatina vondrom-poko 60 ilay firenena. Ny ankamaroany dia ny Mossis , miaina indrindra indrindra ao afovoan'ny firenena. Ny Peuls sy ry zareo Touaregs dia any avaratry ny firenena no tena miaina. Amin'ny resaka finoana indray, ny miozolmàna no maro an'isa (60%), ary maro ihany koa ny katôlika (23%) sy animista (15%) . Fiantsonaa ireo mpirotsaka an-tsitrapo hiaro tanindrazana Tamin'ny Oktôbra 2022, Burkina Faso dia nanao fanentanana iray ho fandraisana olompirenena miisa 50.000 ho ao anatin'ny Volontaires pour la défense de la patrie (VDP), milisy iray noforonina tamin'ny Desambra  2019 hanoherana ny Fanjakàna Islamika ao Sahara Lehibe , ny Vondrona mpanohana ny miozolmàna sy ny Islam ary ny Ansarul Islam , mavitrika any amin'ny faritra avaratry ny firenena. Faran'ny Novambra 2022, nilaza araka izany ireo manampahefana fa nahazo olona 90.000. Fanapahankevitra iray noarahabain'ireo Borkinabe sasany tao amin'ny Twitter : Ibrahim Traoré gagne son parie. Des milliers de Burkinabè s'engagent comme Volontaire pour la Défense de la Patrie (VDP). “Là où il y a la volonté, il y a toujours un chemin”. Bravo au vaillant peuple du Burkina. On s'enfout de Sabre, Barkhane, Takuba ou Initiative d'Accra. pic.twitter.com/CWyJhYp0RG — JPF-ERRY (@Prius_004) November 24, 2022 Nahatanteraka ny fanambiny i Ibrahn Traoré. An'arivony maro ireo Borkinabe nirotsaka an-tsitrapo ho Volontaire pour la Défence de la Patrie (VDP). ” Raha mbola misy ny finiavana, misy hatrany ny làlana” Arahabaina ny vahoaka mahery fo ao Burkina. Tsy misy iraharahiana izay “Sabre, Barkhane, Takuba na ny Initiative d'Accra” any. — JPF-ERRY (@Prius_004) 24 Novambra 2022 Ny “ Sabre, Barkhane ary Takuba” dia hetsika isankazarany ara-miaramila ataon'ireo andian-tafika frantsay ao Burkina Faso nanomboka tamin'ny 2009. Ny Initiative d’Accra dia rafitra iray natomboka tamin'ny Septambra 2017, niarahan'i Bénin, Burkina Faso, Côte d’Ivoire, Ghana ary Togo, ho setrin'ny tsy fandriampahalemana tsy mitsaha-mitombo ao Afrika Andrefana. Saingy mitaky zavatra marobe ny fametrahana ny VDP. Mila 100 lavitrisa FCFA (163 tapitrisa dolara amerikàna) ny fanjakana borkinabe mba handefasana ireny VDP ireny hanao ny iraka andrasana aminy. Hatreto aloha dia mbola lavitra be ny hahatratrarana io tanjona io. 432 tapitrisa monja (706 000 dolara amerikàna) no mbola voaangona, araka ny fanazavàn'i  Oumarou Yaro, manampahaizana manokana amin'ny Fitantanana ny Fahombiazana ara-tSôsialy sy ny Fitantanambola Mampiaty ao Burkina, raha nanontanian'ny West Africa Democracy Radio (WADR). Ao anatin'io antsafa nataony ho an'ny WADR io, omen'i Yaro ireo antony mahatonga an-dry zareo Borkinabe hisalasala tsy handray anjara amin'ilay fanangonambola: “(…) niteraka fifandran-toerana marobe ilay krizy ary ny sasany tamin'ireo nafindra toerana dia fianakaviana no nandray azy ireo. Nampidina ny fahefa-mividin-dry zareo izany. Tsy nahazoana fahafahampo ny fitakiana nataon'ny mpiasa ary amin'izao fotoana izao ny sondrombidim-piainana dia iray amin'ireo avo indrindra. Naleon'ireo orinasa sasany nandray anjara tamin'ny fanolorana fitaovana toy izay hanolotra vola. Ny Borkinabe sasany dia tsy mahazo antoka ny hahatsara tantana io vola angonina io. Izany no mahatonga ny governemanta mitondra fanazavana tsy tapaka ho an'ny vahoaka”. Mitranga io zavatra io ao anatin'ny toedraharaha sarotra mifamatotra amin'ny fialàn'ny tafika frantsay, tsy ela akory izay. Fialàn'ny andian-tafika frantsay ary fifanakaikezana amin'i Rosia Ny Janoary 2023, nampangain'ny governemanta botkinabe no sady naatony tanteraka ilay fifanarahana tamin'ny 17 Desambra 2018 ” mifandraika amin'ny satan'ny tafika frantsay mirotsaka an-tsehatra ” ao amin'ny firenena. Angatahan'ireo manampahefana araka izany ny hialàn'ireo andian-tafika frantsay, efa tao hatramin'ny 2009, ahitàna miaramila 400. Asehon'i Ouagadougou tamin'ny nisafidianany an'i Rosia ny faniriany hanamaro ireo mpiara-mitantsoroka stratejika aminy. Ny sasany faly tamin'io fanapahankevitra io ary m itaky ampahibemaso ny fifanakaikezana amin'i Rosia, araka izay hita amin'ny tenin'i Anicet Ouédraogo, Borkinabe mpianatra notanisain'ny Africanews . Fandraisana andraikitra iray tena tsara. Ambarako mihitsy aza hoe taraiky ry zareo. Efa ela no tokony natao ilay izy satria amin'izao fotoana izao dia ilaina ny mpiara-mitantsoroka marina sy mahitsy afaka tena miaraka miasa marina amin'i Burkina Faso. Naverin'ny Praiminisitra borkinabe, Apollinaire Kyélem de Tembela, noraisina io hevitra io, taorian'ny antsafa iray nifanaovany tamin'i Alexey Saltykov, masoivohon'i Rosia ao Burkina Faso, ao anatin'io lahatsoratra io ihany : “Safidy tam-pisainana no nandraisana an'i Rosia tao anatin'ity hetsika ity” ary “ary heverinay fa tokony hohamafisina ny fiarahamiasa”. Nanambara ny fahavononany i Rosia: Alexandre Ivanov, iray amin'ireo Rosiàna mpampiofana ara-tafika ao Centrafrique, dia milaza ao anaty taratasy iray fa mety aminy ny “hizara ny traikefa”-n'i Centrafrique ho fanofanana ny tafika ao Burkina Faso. Raha nitsidika an'i Mali tamin'ny 7 Febroary 2023 i Sergueï Lavrov, minisitra rosiàna misahana ny raharaha ivelany dia nampanantena fanampiana avy amin'i Rosia ho an'ny firenena ao Sahel sy ny Hoalan'i Ginea mba hiatrehana ireo jihadista. Mihoatra ny 10.000 no maty nanomboka tamin'ny 2015 Sampan-draharaha samihafa no manaraka akaiky ny tarehimarika momba ny ain'olombelona ao Burkina Faso hatramin'ny nanombohan'ireo fanafihan'ny mpampihorohoro tamin'ny 2015. Tamin'ny Oktôbra 2018, 118 no maty teo anelanelan'ny Aprily 2015 sy 15 Septambra 2018 hoy ny nambaran'ny governemanta borkinabe:  70 sivily ary 48 avy amin'ny sampam-piarovana. Hamafisin'ny AFP , etsy andaniny, fa olona  400 no maty teo anelanelan'ny 2015 sy May 2019. Ho an'ny Human Rights Watch , raha kely indrindra dia sivily 256 no matin'ireo jihadista teo anelanelan'ny Aprily 2019 sy Janoary 2020. Teo anelanelan'ny 4 Aprily 2015 sy 31 May 2020, ny Observatoire pour la démocratie et les droits de l'homme (ODDH), ONG iray miorina ao Burkina Faso, dia naharakitra fa 436 ireo miaramila borkinabe maty ary 310 naratran'ireo jihadista, 1 219 ny sivily maty ary 349 ireo naratran'ny jihadista, 588 ireo sivily matin'ny tafika tao amin'ny firenena. Tamin'ny Febroary 2023, novinavinain'ny ONG Armed Conflict Location and Event Data (ACLED) ho nahafatesana olona mihoatra ny 12.000 ilay fifandirana nanomboka tamin'ny 2015. Ny 11 Oktôbra 2019, ny Kaomisarià Ambonin'i Firenena Mikambana miandraikitra ny Mpitsoaponenana dia nanamafy fa ireo herisetra tany avaratra dia nitarika fifindràna toerana olona niisa 486.000, ka ny 267.000 tamin'ireo dia teo anelanelan'ny Jolay sy Septambra 2019, ary mandositra mamonjy ireo tanandehibe any afovoan'ny firenena ny ankamaroan'ireo mpitsoaponenana, raha ny 16.000 kosa nandeha nankany ivelany. Tsy mbola ato ho ato no hihatsara ny toedraharaha ara-piarovana: ny 17 Febroary 2023, raha kely indrindra dia miaramila 51 no namoy ny ainy nandritra ny vela-pandrika iray nataon'ireo jihadista tany avaratry ny firenena, tao amin'ny sisintany iraisana amin'i Mali sy Niger. Ho valin'io fanafihana io, nanao hetsika vaovao vitsivitsy ny tafi-panjakana nahafahany namongotra mpampihorohoro an-jatony.
https://mg.globalvoices.org/2023/03/10/162854/
Kôlera, aretina mbola mampanahy hatrany any Mozambika
2023-03-10T04:31:25
Unknown
Miahiahy ny manampahefana fa avy any Malawi ny tranga, firenena manamorona an'i Mozambika ary nahitana trangan’aretina. Sary: Giovana Fleck/Global Voices Nanomboka ny taona 2000, nahitana trangan’aretina izay tsy dia noresahina firy any amin’ny firenena hafa ny tao Mozambika, nefa mampanahy be ny firenena izany. Kôlerà io na ilay antsoina hoe ‘aretin'ny tanana maloto’. Areti-mifindra miverimberina izy io izay mihatra amin'ny olona an'arivony ao Mozambika isaky ny vanim-potoanan'ny orana, amin'ny fiandohan'ny taona. Vokatr'izany, tamin'ny 31 janoary tamin'ity taona ity, nampitandrina ny vondron'ny firenena mikambana momba ny fahasalamana OMS fa mampanahy kokoa noho ny COVID-19 any Afrika ankehitriny ny kôlerà, noho ny fiparitahan'ny kôlerà isankarazany ao amin'ny kaontinanta, izay ahitana olona maherin'ny 1.460 no maty ary manodidina ny 45.800 no tratran’ilay areti-mifindra. Ho an'ny OMS, i Malawi no firenena mampanahy indrindra, izay olona maherin'ny 1.000 no maty hatramin'ny volana martsa 2022. Aretina mipoitra vokatry ny tsy fahampian'ny fahadiovana na ny tsy fahampian'ny fahadiovan’ny rano sy ny fikarakarana ara-pahasalamana tsy maintsy atao amin'ny sakafo, indrindra ny legioma ny kôlerà. Aretina mahatonga aretim-pivalanana henjana raha ny kôlerà manokana. Mety hiteraka fahafatesana noho ny tsy fahampian-drano izy io raha tsy voatsabo haingana na dia azo tsaboina aza, . Raha ny momba an'i Mozambika, ny taona 2023, efa nahatratra faritra maro any amin'ny firenena ilay aretina ary efa maherin'ny 16 no maty. Ohatra, tamin'ny faramparan'ny volana Janoary [2023], nilaza ny Foibe Afrikana Manara-maso sy Misoroka ny Aretina (Africa CDC) an'ny Vondrona Afrikana, fa manahy ny amin'ny fiparitahan'ny fihanaky ny kôlerà ao Mozambika izy ireo. Fantatra fa tany Niassa, any avaratry ny firenena, no nahitana ny ankamaroan’ny matin’ny kôlerà ary ahiahian’ny manampahefana ny fiavian’izany ho avy any Malawi , firenena mifanolotra amin’i Mozambika, ary nahitana tranga tamin’ity aretina ity. Tao anaty fepetra fahamailoana, nilaza i Domingos Guiole, avy amin'ny sampana fanaraha-maso ny fahasalamam-bahoaka ao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana Mozambikana (MISAU), notaterin’ny fahitalavitra tsy miankina STV tamin'ny 16 Janoary, hoe: Nós temos um cumulativo de 1.376 casos de cólera e 16 óbitos, que correspondem a uma taxa de letalidade de 1,2%. Miisa 1.376 ny trangana kôlerà ary miisa 16 ny olona maty, izay mitovy amin'ny taham-pahafatesana 1,2%. Tamin'ny 1 Febroary [2023], nilaza ny fikambanana misahana ny maha-olombelona Médecins Sans Frontières (MSF), fa manohana ny manampahefana ara-pahasalamana amin'ny fifehezana ny valan'aretina ao Mozambika izy ireo: Actualmente a situação que se apresenta é já de mais de 1.500 casos no país, com vários distritos e províncias afetadas. Os dados oficiais são de aumento para esta semana, mas os dados exactos, o número exacto de casos e tudo o que é mais importante são as capacidades locais, as capacidades do Ministério da Saúde para travar o surto. Neste caso, estamos a encontrar, por exemplo, no Niassa, que já há muitos anos não tinha um surto, uma falta de capacidade de gestão dos centros de tratamento de diarreia, de gestão de casos. Há muito tempo que no Niassa não havia casos, portanto carece de pessoal de saúde formado e treinado para tratar dos casos. Portanto, precisam de mais apoio dos parceiros. Amin'izao fotoana izao, mihoatra ny 1.500 ny tranga eto amin'ny firenena, ary distrika sy faritany maromaro no voakasika. Nahitana fitomboana ny angondrakitra ofisialy amin'ity herinandro ity, fa ny tena angondrakitra marina, ny isan'ny tranga sy ny tena zava-dehibe indrindra dia ny fahaiza-manao eo an-toerana ary ny fahafahan'ny minisiteran'ny Fahasalamana hampitsahatra ny valan'aretina. Amin'ity raharaha ity, hitanay, ohatra, ao Niassa, izay tsy nahitana valan’aretina nandritra ny taona maro, ny tsy fahampian'ny fahaiza-mitantana ao amin'ny foiben’ny fitsaboana aretim-pivalanana, ny fitantanana ny tranga. Efa hatry ny ela no tsy nisy tranga tany Niassa, ka tsy ampy ny mpiasan’ny fahasalamana nahavita fianarana sy niofana hiatrika ny raharaha. Noho izany, mila fanohanana bebe kokoa avy amin'ny mpiara-miombon'antoka izy ireo. Ao amin'ny tambajotra sosialy, nasongadina ho mampanahy ny adihevitra momba ilay aretina, ary isarihana ny sain'ny manampahefana ara-pahasalamana Mozambikana handray fepetra maika. Izao no nilazàn'i Egídio Vaz, mpaneho hevitra ara-politika azy hoe: No Malawi, a cólera forçou duas grandes cidades, Blantyre e Lilongwe, a adiarem o início das aulas. Agora vejo este anúncio da Secretaria do Estado de Niassa a apelar à mobilização da população para adoção de medidas preventivas. Curiosamente o Distrito do Lago faz fronteira com o Malawi, separando-se do Lago Niassa. Se a cólera já entrou em Lichinga e isto vem desde Setembro, a situação não deve se limitar à mobilização apenas. O assunto exige atitudes adicionais, que julgo estarem a ser implementadas, porém, carecendo da máxima divulgação. No Malawi, a cólera atingiu níveis preocupantes, em parte, devido a falência dos serviços de saúde, provocada pela deterioração da situação económica do país. Eto Malawi, nanery tanàndehibe roa, Blantyre sy Lilongwe, hanemotra ny fanombohan'ny fampianarana ny kôlerà. Hitako ankehitriny ny fanambaran'ny Sekreteram-panjakana miadidy an’i Niassa miantso fanetsehana ny mponina handray fepetra fisorohana. Indrindra fa manamorona an'i Malawi ny Distrikan'i Lago, ny Farihy Niassa no manasaraka azy ireo. Tsy tokony ho ferana amin’ny fanetsehana fotsiny ihany ny raharaha rahefa tafiditra ao Lichinga ny kôlerà ary efa hatramin'ny volana septambra izany. Mitaky fihetsika fanampiny ny zava-misy, izay inoako fa ampiharina, na izany aza, tsy misy fampahafantarana betsaka. Any Malawi, tonga amin'ny ambaratonga mampanahy ny kôlerà, amin'ny ampahany, noho ny tsy fahombiazan'ny sampan-draharaha ara-pahasalamana, vokatry ny toe-karena miharatsy ao amin’ny firenena. Nandritra izany fotoana izany, nanaparitaka fampahafantarana fanairana sy ireo ohatra amin'ny zavatra azo atao mba hifehezana ny aretina ao amin'ny firenena ny Minisiteran'ny Fahasalamana any an-toerana: Manampy amin'ny fihanaky ny #kôlerà ny tsy fahadiovan'ny tanana. Sasao amin'ny savony sy rano na lavenona ny tananao aorian'ny fampiasana ny lavapiringa mba hisorohana izany tsy ho voaloton'ny bakteria miteraka ity aretina ity.
https://mg.globalvoices.org/2023/03/07/162856/
Ny zava-doza amin'ny famoràna vehivavy any Mozambika
2023-03-07T03:02:50
Unknown
Ny zava-doza amin'ny famoràna vehivavy any Mozambika Araka ny fanadihadiana nataon’ny Parlemanta Eoropeana, dia firenena 30 any Afrika sy any Afovoany Atsinanana no tena ifantohan’ny fanombihana taovam-pananaham-behivavy. Sary: Giovana Fleck/Global Voices Iray amin'ireo firenena nanamarika ny adihevitra amin'ny lafiny miiba momba ny famoràna vehivavy i Mozambika, raha jerena ho fomba fanao heverina ho fanitsakitsahana ny zon'ny vehivavy amin'ny ankapobeny izany, ary indrindra ho an’ny ankizivavy, na dia tsy misy aza ny lalàna manokana momba io fomba fanao io. Raha lazaina mazava, matetika eo anelanelan'ny fahazazana ka hatramin’ny 15 taona no ampiharina amin'ny tovovavy ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy . Mifototra amin'ny fifangaroana ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina ity fomban-drazana ity, toy ny finoana ara-pivavahana sy ny hevitra momba ny hamanjàna sy ny fahadiovana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Parlemanta Eoropeana, any amin’ny firenena miisa 30 any Afrika sy any Afovoany Atsinanana no ahitana indrindra ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy, nefa ahitana an’izany ihany koa any amin’ny firenena sasany any Azia sy Amerika Latina ary eny fa na dia any amin’ireo vondrom-piarahamonina avy amin’ireo faritra ireo aza. Fantatra fa i Frantsa no voalohany tamin’ny firenena Eoropeana manasazy ny fomba fanao amin'ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy. Mba hisarihana ny saina amin'ny loza ateraky ny fanombinana taovam-pananan'ny vehivavy, dia napetraka ny 6 Febroary ho Andro tsy ileferana manoloana ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy, nanomboka ny taona 2012. Nanamarika ny OMS fa ekena iraisam-pirenena ho fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy. Nampidirina tamin'ny taona 2015 tao amin'ny tanjon'ny taona 2030 ho an'ny fampandrosoana lovainjafy ny famongorana azy. Ho an'i Mozambika, nilaza i Ondina da Barca Viera, manampahaizana ao amin'ny Firenena Mikambana momba ny vehivavy ao Mozambika, tamin'ny taona 2018, fa tsy mbola misy angon-drakitra manokana momba ny zava-misy ao amin'ny firenena. Nolazainy fa na dia eo aza ny tsy fisian'ny angon-drakitra dia mbola mampanahy ny sampan-draharaha ny trangan-javatra : Em Moçambique não há excisão do clitóris, não há nenhuma excisão externa, mas sim o prolongamento dos lábios vaginais. A criança desde pequenina quando entra nos ritos de iniciação, as madrinhas fazem o prolongamento dos lábios vaginais. É uma violação contra os direitos das crianças, das mulheres, do direito das raparigas. Tsy misy fanapahana ny kitso eto Mozambika, tsy misy fanapahana ivelany, fa ny fanitarana ny molotra fivaviana. Koa satria zazavavy kely ilay zaza dia hitarin’ny renibe ny molotra fivaviana rehefa miditra amin'ny taona maha-maoty izy. Fanitsakitsahana ny zon’ny ankizy, ny vehivavy, ny zon’ny tovovavy izany. Etsy andaniny, milaza ny mpandrindra nasionalin'ny ONG WLSA-Mozambika, Terezinha da Silva, fa na dia tsy mbola manaitra aza ny olana momba ny fanombinana taovam-pananahan'ny vehivavy, dia misy ny tranga nohadihadian'ny sampan-draharaha izay manondro ny fisian'ity tranga ity any amin'ny faritra avaratr'i Mozambika. Mila fanadihadiana ireo zava-misy mitovy ireo: Já há casos conhecidos mas não ainda investigados na zona norte, na zona onde estão os imigrantes provenientes do norte de África, à uns anos dois casos que foram também detetados em Inhambane, mas como disse, nós temos que investigar a fundo esta situação, e geralmente é entre comunidade muçulmana e entre as famílias que vêm do norte de África. Efa misy ny tranga fantatra tany avaratra fa tsy mbola nanaovana fanadihadiana, any amin’ny faritra misy ireo mpifindra monina avy any Afrika Avaratra, taona vitsy lasa izay, tranga roa ihany koa no hita tany Inhambane, saingy araka ny nolazaiko dia tsy maintsy atao ny fanadihadiana lalina momba izany toe-javatra izany, ary eo amin'ny vondrom-piarahamonina Miozolomana sy eo amin'ireo fianakaviana avy any Afrika Avaratra izany matetika. Ho vahaolana, nilaza i Terezinha da Silva fa tsy maintsy hiarahana manao ny asa ary manana anjara toerana lehibe ny vondrom-piarahamonina : O nosso desafio é fazer com que as comunidades sintam que o rito de iniciação é uma violação aos direitos das crianças. Muitas vezes o rito de iniciação conduz aos casamentos prematuros. O nosso trabalho é realmente fazer com que o parlamento aprove a lei contra os casamentos prematuros, fazer a sua divulgação principalmente para as comunidades do norte do nosso país. Ny fanambinay dia ny hahatonga ny vondrom-piarahamonina hahatsapa fa fanitsakitsahana ny zon'ny ankizy ny fombafomba atao amin’ny fidirana amin’ny taona maha-maoty. Matetika mitarika amin'ny fanambadiana aloha loatra ny fombafomba atao amin’ny fidirana amin’ny taona maha-maoty. Tena asanay ny mandrisika ny parlemanta handany ny lalàna momba ny fanambadiana aloha loatra sy mampiroborobo izany indrindra ho an'ny vondrom-piarahamonina any avaratry ny firenentsika .
https://mg.globalvoices.org/2023/03/03/162802/
Navoakan'ny Freedom House ny fomba hanoheran'i Mozambika ny fitaoman'i Shina eo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao
2023-03-03T04:03:17
Unknown
Tamin'ny tatitra vaovao nataony mitondra ny lohateny hoe “Beijing's Global Media Influence 2022,” ny Freedom House, fikambanana tsy mitady tombontsoa any Etazonia no nanome hazavana vaovao momba ny fitaoman'i Shina eo amin'ny sehatry ny serasera any amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao, anisan'izany i Mozambika . Ny Beijing's Global Media Influence (BGMI) no fanombanana eran-tany voalohany momba ny dindon'ny Antoko Komonista Shinoa (AKS) amin'ny media sy ny fifaharana demaokratika manoloana izany fitaomana izany notontosain'ny Freedom House . Amin'ny ankapobeny, ny tetikasa BGMI dia mikendry ny HAMPAHAFANTATRA ireo endrika maro azon'ny fitaoman'ny fampitam-baovao ao Beijing — manomboka amin'ny endrika diplaomasiam-bahoaka azo ekena ka hatramin'ny tetika miafina, fanerena, na kolikoly izay mety hanimba ny fahalalahana demaokratika. Araka ny asehon'ny tatitra, ny sakana amin'ny fiteny ao Mozambika no singa iray manakana an'i Shina tsy hanana hery dindo lehibe kokoa ao amin'ny firenena, raha nampiasa vola be tamin'ny fiteny vahiny lehibe — anglisy, espaniola ary rosiana — i Shina. Na dia maro aza ireo famantarana miabo ho an'ny fampahalalam-baovao Mozambikana amin'ny ankapobeny manoloana ny fitaoman'ny Shinoa, dia noraketin'ny angona ihany koa ny teboka sasany mbola marefo. Nodinihana tao amin'ny tatitra ireo setriny mivantana manoloana ny fitaoman'ny fampitam-baovao AKS any amin'ny firenena miisa 30 sy ireo fahazakàna na faharefoana amin'ny fitaomana miteraka olana na ny ezaka fanodikodinan-dresaka ataon’i Beijing. Ny fotoana teo anelanelan’ny volana Janoary 2019 ka hatramin'ny volana Desambra 2021 no nifantohan’izany. Ireo singa misongadina dia nahitana ireo lalàna sy fomba fanao miaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny halehiben'ny fanangonam-baovao mitsikera sy marolafy mifandraika amin'i Shina sy ny fampiasam-bolan’ny Shinoa amin'ny toekarena eo an-toerana, ary koa ireo fisantaran'andraikitra mahazatra sy manokan’i Shina ataon'ny governemanta sy ny fiarahamonim-pirenena mba hanoherana ny fandisoam-baovao, hanaraha-maso ny fampiasam-bola amin'ny fampitam-baovao, hampitombo ny mangarahara , ary hiarovana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra. Nofantenana araka ny fepetra maromaro ireo firenena tafiditra ato anatin'ity tatitra ity. Firenena isan-karazany no nofantenana ho fandalinana tsy amin’ny fiezahan'i Beijing amin’ny fitaomana ihany fa amin’ny vokany sy ny fiantraikany eo amin'ny sehatra demaokratika ihany koa. Mba ahafahana manatontosa famakafakana maneran-tany, nisafidy santionany amin'ny lafiny jeografia, fiteny, ary toetran'ny fifandraisan'ny roa tonta amin'i Shina ny Freedom House. Fahatelo, nitady firenena nahitana porofo mazava momba ny fitaoman'ny fampitam-baovaon'i Shina ny Freedom House ary nitady ohatra tamin'ny fanoheran’ny fampitam-baovao na ny fitaomana ara-politikan’ny AKS. Fahefatra, nodinihany ny maha-zava-dehibe ny lafiny stratejika sy ny habetsahan'ny mponina ao amin'ny firenena iray, ary nosafidiany tamin’izany ireo firenena manana mponina somary betsaka na manan-danja ara-stratejika. Topimaso ankapobeny momba an'i Shina eo amin'ny sehatry ny serasera Amin'ny ankapobeny, nanambara ny tatitra fa nanitatra ny fitaomany amin'ny fampitam-baovao maneran-tany ny governemanta Shinoa: voatondro ho Avo na Avo dia Avo any amin'ny firenena miisa 16 amin'ireo 30 nodinihina tamin'ity fanadihadiana ity ny herin’ny ezaka fitaomana ataon'ny fampitam-baovao ao Beijing. Tany amin’ny firenena miisa 18, nitombo ny ezaka nataon’ny fitondrana Shinoa nandritra ireo telo taona nifantohan’ilay tatitra tamin’ny fanadihadiana. Manazava ny tatitra fa mampiasa paikady lalina sy manery kokoa ny Antoko Komonista Shinoa (CCP) sy ireo omeny fahefana mba hamolavola ny fitantaran'ny fampitam-baovao sy hanafoana ny tatitra manakiana. Anisan'izany ny fizarana faobe ny votoaty tohanan'i Beijing amin'ny alàlan'ny fampahalalam-baovao mahazatra, ny fanorisorenana sy ny fampitahorana ireo fampahalalam-baovao mamoaka vaovao na hevitra tsy ankasitrahan'ny governemanta Shinoa. Hita ho paikady fototra ny fandrahonana an-habaka, ny tatibaovao diso, ary ny fanentanana fandisoam-baovao efa voakendry. Fanampin'izay, nambara fa, tany amin'ny firenena miisa 23, nanafika ireo fampitam-baovao nasionaly ny mpitondra politika na nanararaotra ny ahiahy ara-drariny momba ny fitaoman'ny AKS tamin’ny fampiharana fameperana tsy ara-drariny, fikendrena ireo fampahalalam-baovao mitsikera, na ny fandrehetana ny fihetseham-po fankahalana vahiny. Ny fitaoman'i Shina ao Mozambika: ny sakana amin'ny fiteny Kely dia kely ny fahitana ny fampitam-baovaom-panjakana Shinoa ao Mozambika, ary voasakana ny fivoarany noho ny zava-misy fa tsy mamoaka votoaty amin'ny fiteny eo an-toerana izy ireo ankoatra ny teny paortiogey, izay ampiasain'ny latsaky ny antsasa-manilan'ny mponina fotsiny ihany. Gazety any Maputo. Sary: Manuel Ribeiro/GV (nahazoana alalana) Hita fa nanomboka tamin'ny alalan'ny andiana fifampizaràna votoaty sy ny fifanarahana fiaraha-miasa tamin'ny fampitam-baovaom-panjakana sy tsy miankina talohan'ny vanim-potoana nanangonam-baovao 2019–2021 ny fitaoman’ny fampitam-baovaon'i Beijing tao Mozambika. Zaraina ankolaka amin'ny alàlan'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana ny ankamaroan'ny votoatim-baovaom-panjakana Shinoa izay mahatratra ireo mpamaky Mozambikana. Na izany aza, mety hitombo ny paikadin'ny fitaoman’ny fampitam-baovao mivantana rehefa mitombo ny fifindrana mankany amin’ny nomerika ao amin'ny firenena. Raisina manokana, votoaty amin'ny teny paortiogey ihany no avoakan'ny fampitam-baovao Shinoa ikendrena hanatrarana ireo mpamaky Mozambikana, ka mametra ny isan'ny mpihaino (mpamaky). Na dia teny ofisialy aza ny teny paortiogey dia tsy ampy antsasa-manilan'ny mponina no mampiasa azy, ka ireo sangany ara-politika sy ara-toekarena no tena mahafehy azy. Tsapa ankolaka fa tsy fanahy iniana ao Mozambika ny fanoherana ny fitaoman'i Shina, fa noho ny sakana amin'ny fiteny. Torak'izany ihany koa, nasehon'ny antsafa nakana ny hevi-bahoaka sasany fa nihena ny fanohanana an'i Shina ho maodeli-mpampandrosoam-panjakana nanomboka tamin'ny taona 2015, ary mbola ambany hatrany ny fahalalana ankapobeny momba ny fampiasam-bola Shinoa na ny fanampiam-pampandrosoana ao Mozambika. Amin'ny ankapobeny, manambara ny tatitra fa manohy manohitra ny mety ho fitaoman’i Shina eo amin'ny sehatry ny serasera i Mozambika na dia eo aza ny fifandraisana ara-tantara lava teo amin'ireo firenena. Raha ny tena izy, araka ny Freedom House, tsy nisy porofo ny fanentanana fandisoam-baovao notohanan'ny fanjakana Shinoa mikendry na mahatratra ny mpanjifa vaovao ao Mozambika nandritra ny vanim-potoana nanangonam-baovao. Milaza ny ambana lehibe sasany ataon’i Shina ao anatin'ny sehatry ny media ny tatitra. Mifandray amin'ny zava-misy izany fa aseho tsy tapaka ao amin'ny Jornal Notícias, izay gazety lehibe indrindra mivezivezy ao amin'ny firenena, ny lahatsoratra nosoniavin'ny masoivoho Shinoa, ary mivoaka matetika kokoa noho ny an'ny diplaomaty avy amin'ny firenena hafa ny fanehoan-keviny. Na dia hita aza fa misy ny soritra fifaharana miabo vitsivitsy, dia sokajian'ny tatitra ho marefo ny firenena. Maneho ny maha ampy fitaovana ny firenena iray hamaly ny ezaka fitaomana atrehany ity fanomezan-tsokajy ity. Ho an'i Mozambika, misy ny fironana mampanahy, toy ny fifandraisana ara-tantara matanjaka misy eo amin'ny AKS sy ny Antoko Frelimo eo amin'ny fitondrana, izay azo heverina ho singa iray mitaona sy mampahafanina ny sehatry ny serasera, satria samy manana fironana didy jadona mifototra amin'ny komonisma ny roa tonta.
https://mg.globalvoices.org/2023/02/28/162846/
Fitambaran'ireo vondrona mpitaky fizakantena ao Mali, mety vao mainka hanasarotra ny olana pôlitika sy ny fiarovana
2023-02-28T20:54:32
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Tv5monde Info Ao Mali, midina fikatsoana ara-pôlitika vaovao indray sy ara-piarovana ho an'ilay firenena ve ny fitambaran'ireo vondrona telo mitam-piadiana mpitaky fizakantena avy amin'ny Coordination des mouvements de l’Azawad (CMA) ? Azo lazaina ho lehibe ihany i Mali noho ny refiny mahatratra 1,2 tapitrisa kilaometatra toradroa izay itambarana vondrom-poko roa lehibe , ireo berbera ao Avaratra, ary ry zareo sobasahariàna ao atsimo. Rehefa atambatra dia misy foko enimpolo ao amin'ilay firenena, izay ahitàna, ankoatra ny hafa, ny Mandingues (38,7 %), ny Bambaras (23,9 %) izay mameno indrindra indrindra ny distrikan'i Bamako ,  ny Sénoufos (12,2 %), ny Songaï (8,9 %), ny Soninkés (8,8 %), ny Fulani ao Maasina (8 %), ny Peuls (8%), ny Maninka (7,9 %), ny Dogons (5,5 %). Hatramin'ny 2012, mandalo krizy henjana be amin'ny famaritany ny maha-izy azy ilay firenena, taorian'ilay adin'i   Mali (2012), narehitry ny fikomian'ireo vondrona djihadiste sy mpitaky fizakantena mpomba an'i Azawad. Ireny fikambanana pôlitika sy ara-miaramila ireny, izay ny “touarègues” no tena maro an'isa tao anatiny, ary mavitrika any avaratr'i Mali, dia nanambara tamin'ny  28 octobre 2014 ny fijoroan'ny coordination des mouvements de l’Azawad (CMA). Hita ao anatin'ny CMA ny Mouvement national pour la libération de l’Azawad (MNLA), ny Mouvement arabe de l’Azawad (MAA) ary ny Haut Conseil pour l’unité de l’Azawad (HCUA) izay tsy hafa fa ireo hetsika telo lehibe indrindra, na misy ao ihany koa aza ireo vondrona hafa. Miaraka mîtolona manohitra ny  fanjakana maliàna ireny vondrona rehetra ireny, na dia tsy mitovy tanjona aza, ary samy nanasonia ny fifanekena  hisian'ny fandriampahalemana  ho amin'ny fampihavanana ao Mali ( Fifanarahan'i Alger ) vitæ Sonia tamin'ny  15 Mai sy 20 Jona 2015. Tamin'ny Desambra 2022, natsahatry ny  CMA ny fandraisana anjara tao anatin'ireo rafitra fampiharana ilay fifanarahana fandriampahalemana, toy ny nataon'ireo vondrona hafa mitam-piadiana, saika ho efa izy rehetra nanao sonia mihitsy. Ampangain'ny CMA “ n'y tsy fisian'ny fahavononana pôlitika, na kely aza hatramin'izao ” avy amin'ny governemantan'ny filoha maliàna Assimi Goïta hampihatra ilay fifanarahana fandriampahalemana. Ny 27 Janoary 2023, nijoro nanohitra indray ny CMA, tamin'ny fanipihana tanaty fanambaràna iray ny fisintahany tsy ho ao anatin'ny vaomiera najoro hamita ilay tetikasa hanaovana lalampanorenana vaovao ao Mali . Araka io fanambaràna io, ny  CMA “dia tsy miombona amin'ireo fanambaràna samirery nataon'i Abdoulaye Diop, minisitra maliàna misahana ny raharaha ivelan'ny, teo amin'ny pilipitran'ny Firenena Mikambana, tamin'ny 27 Janoary 2023, niresaka ny amin'ireo “fiatoan'ireo dingana” ao anatin'ny fametrahana ilay Fifanarahana nohonnybataon'ireo hetsika nanasonia izany”. Io firodanan'ny dingan'ny fifampiraharahàna io dia manamafy amin'izao fotoana izao ny fakàna toerana ataon'ireo vondrona mitam-piadiana ao anatin'ny CMA . Ny firaisana no hery Tamin'ny 8 Febroary 2023, nitambatra ho antokon-tafika sy pôlitika tokana ireo vondrona telo lehibe ao anatin'ny CMA. Araka ny voalazan'i Mohamed Elmaouloud Ramadane , mpikambana ao anatin'ny CMA, Io vikina vaovao Io Dia tokony hahafahan'ireo mpikomh avy any avaratra hanana lanja bebe kokoa manoloana ny governemanta maliàna, araka ny fanazavana azy tao amin'ny Radio France Internationale : Dingana iray tena manana ny lanjany Io vao avy nodiavina io, satria efa hatry ny ela ireo vahoakan'ny Hetsika no nitaky izany. Araka izany, tontosa izy ankehitriny. Tantana vaovao indray io. Vikina vaovao indray. Raha feo tokana sy mitovy no ifampiresahana, manana mpitarika tokana isika, dia tena hanosika be izay rehetra apetratsika ho tanjona izany. Ramadane manamafy izay hafatra izay ihany ao amin'ny Twitter: Une étape importante vient d’être franchie. pic.twitter.com/d5V0eNC5c8 — Mohamed Elmaouloud Ramadaneمحمد المولود رمضان (@MohmedRAMADANE) February 8, 2023 ZZZZ Dingana iray lehibe no vita pic.twitter.com/d5V0eNC5c8 — Mohamed Elmaouloud Ramadaneمحمد المولود رمضان (@MohmedRAMADANE)  8 Febroary 2023 Ho an'ito farany, io fitambarana io dia mikendry ny hampitambatra ny herin'ireo rehetra hetsika mitam-piadiana mba hiatrehana ireo fifandirana ifanatrehan'ireo vondrom-piarahamonina ka hahatongavana amin'ny fahasambarana sôsialy sy pôlitika. Tombanany fa hisy ny fanomezana anarana vaovao an'io fitambarana io, arahana marika vaovao famantarana, aorian'ny fahitàna marimaritra iraisan'ilay vaomiera teknika vaovao najoro hijery izay pitsopitsony mahamety io fitambarana io. Fihenjanana azo eritreretina amin'ny fitakian'ireo mpihoko Sarotra ny haminany izay mety ho fivadihan'ny fifandraisana eo amin'ny fanjakana ao Bamako sy ireo vondrona mitam-piadiana ao avaratry ny firenena saingy mbola misy ambana ny mety ho fihenjanan'izy ireny misimisy kokoa ihany. Nicolas Normand , masoivohon'i Frantsa fahiny tao Mali, raha nanontanian'ny Deutsche Welle , dia manombana fa raha ireo Marika hita dia mety hisy ny fiarahana tahaka izany. Ilay fihaonana vao haingana Téo amin'ireo tomponandraikitr'ireo vondrona niaraka tamin'i Iyad Ag Ghali , mpitarika touareg avy amin'ny Vondrona mpanohana ny Islam sy ireo Miozolmàna  — Groupe de soutien à l'islam et aux musulmans (GSIM) — dia efa Marika ahitana tzratra mialoha izany. Araka ny lazain'ilay diplaomaty, dia toa efa mivezivezy malalaka i Iyad Ag Ghali any amin'ny faritr'i Kidal ao avaratra-atsinanan'i   Mali, izay tsy azony natao izany font vanimpotoana ny hetsika Barkhane , notarihan'ny tafika tany amin'ny faritra iny. Araka io loharanom-baovao io ihany , atahoran'i Normand ny hihenjanan'ireny vondrona ireny: Atahorako ho marik'izay fihenjanana izay ny fitambaran'ireo vondrona telo ireo, ary ny olona hiomana hiatrika ny mety ho fifandonana. Tsy mihevitra mihitsy aho hoe izy ireo no handray fanapahankevitra hanafika ny tafika maliàna satria ry zareo no hotsinian'ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ho an'izao tontolo izao dia izay manomboka ny habibiana eo,  mazava ho azy, no ho tomponandraikitra. Izay endri-javatra izay Dia mety hiatrika amina fitohitohizana fifampideran-keey eo amin'ny tavaratra ambany vahohon'ny CMA, Ary azo heverinao ho tohanana y GSIM, manoloana ny fanjakana maliàna izay mahazo fanohanana hatrany hatrany avy amin'i Rosia amin'ny alalan'ilay vondrona mitam-piadiana Wagner . Izany diana'atina toedraharaha izay iatrehan'ny iray ny  ONU,  ny MINUSMA, fandroahana telo sosona mahazo ireo tomponandraikitra ao aminy, avy amin'ireo manampahefana maliàna, Ary iatrehany ireo sakantsakana amin'ny fanarahana maso ireo fanimbazimbàna zon'olombelona eo an-toerana . Ny sasany tsy misalasala miteny ady. Araka izany, tamin'ny 10Febroary 2023, andro roa taorian'ny nanambaràna ilay fitambaran'ireo hetsika ao anivon'ny  CMA, Dr Amadou Albert Maïga , mpikambana ao anatin'ny Conseil National de Transition (CNT), rantsana mpanao lalàna maliàna, tamin'ny alàlan'ny lahatsary iray nalefany tao amin'ny pejiny Facebook, dia naminavina ady iray ifanandrinan'ny CMA s'y ny tafika maliàna. https://t.me/amadoumaiga1/489Pourquoi la Guerre est inévitable à Kidal ?Les raison dans cette vidéoLangue d’expression: Français Posted by Dr Amadou Albert MAÏGA on Friday, February 10, 2023 Avy hatrany ireo teny nataon'i Maïga dia notsinian'i Mohamed Elmaouloud Ramadane tao amin'ny pejiny Facebook ary nozarain'ny Tv5monde tao amin'ny tranonkalam-baovaony. « Melohinay io fanambaràna miantsy ady nataona tomponandraikitra iray avy amin'ny iray amin'ireo andrimpanjakan'ny Repoblika io, izay tsy iza fa ny rantsana mpanao lalàna eto Mali, ary antsoinay ho vavolombelona amin'ny fihetsika tahaka izany ny fianakaviambe iraisampirenena. Raisinay am-pahamatorana iny fanambaràna iny, satria raha ny fijery azy, dia nataony taorian'ny  nivoahany avy amin'ny fihaonany tamin'ny filohan'ny tetezamita . » Hanao ahoana ny hoavin'i Mali? Hatreto aloha dia mazava fa tampin-dàlan-kalehanireo manalpahefana maliàna s'y ny CMA raha ny resaka fametrahana ny fampiharana ilay fifanarahana tao Alger noheverina hitondra anjara biriky amin'ny fampihavanana ny firenena. Miteraka adihevitra mamay eo amin'ny samy Maliàna ilay lohahevitra, araka ny hita anatin'ity fifanakalozan-kevitra ao amin'ny twitter ity, nokarakarain'i Mamadou Ismaila Konate , mpisitraka lova a ao amin'ny fitsaràna ao Mali sy Parisy, minisitra fahiny nisahana ny fitsaràna sy mpitahiry tombobokase tao Mali, tamin'ny 16 Febroary 2023. https://t.co/a7WLLIUFhM — Mamadou Ismaila KONATE (@vieuxmko) February 16, 2023 Ny iray amin'ireo fanontaniana goavana ao anatin'ilay adihevitra dia miompana amin'ny votoatin'ilay lalampanorenana vaovao hia an'i Mali miandry ny famitàna azy: Hiala avy hatrany aorian'ny fahataoeran'ny fotoam-piasany tsy ho filoham-pirenena ve i Assimi Goïta , sa mety mbola ho afaka ny ho kandidà amin'ireo fifidianana ny ho filoham-pirenena hoavy? Etsy ankilany, ny CMA izay tsy mandray anjara amin'io dingana ioe ve hilefitra manoloana ireo fitakiana ao anatin'ilay lalàm-panorennaa vaovao ka hiala amin'ny tolony fitakiana  fahaleovantena ho an'ilay faritra lehibe ao Avaratra ? Feno fanontaniana saropady izay ny fampihavanana tena izy sy amin'ny fo  madio irery ihany an'i Mali no afaka mahita ny valiny.
https://mg.globalvoices.org/2023/02/23/162779/
Fanolorana Loka “Félix Houphouët-Boigny” ho an'i Angela Merkel, hisy fiantraikany amin'ny dingana fampihavanam-pirenena ao Côte d’Ivoire ve?
2023-02-23T06:13:38
Unknown
Pikantsary avy ao amin'ny fantsona YouTube an'ny NCI news . Endrika telo goavan'ny tontolo pôlitika ivoariàna no afaka nihaona nandritra ny fitsidihan'ilay “chancelière” alemà taloha, Angela Merkel, tao  Côte d'Ivoire tamin'ny fandraisan ny loka “Félix Houphouet-Boigny/UNESCO” : Alassane Ouattara , filohan'i Côte d'Ivoire hatramin'ny 2010; Henri Konan Bédié , filohan'ny Pari Démocratique de Côte d'Ivoire – Rassemblement démocratique africain (PDCI-RDA), antoko mpanohitra ary efa filoha fahiny  tamin'ny 1993 hatramin'ny 1999; ary Laurent Gbagbo , filohan'ny antoko mpanohitra Parti des peuples africains – Côte d'Ivoire (PPA-CI) efa filoha fahiny ihany koa ny 2000 hatramin'ny 2010, nefa mbola ady sy tolona ny an'i Côte d'Ivoire ny fiarenany taorian'ny krizy pôlitika,ara-poko sy ara-tafika efa nitarazoka ela. Ny 8 Febroary 2023 i Merkel no nandray tao Abidjan, ny loka Félix Houphouët-Boigny/UNESCO 2022 natao ho an'ny fikatsahana fandriampahalelana. Ity loka napetraka nanomboka tamin'ny 1989 ity dia natao ho : « fanomezana voninahitra ireo olona mbola velona, andrimpanjakana na sampandraharaham-panjakana sy tsy miankina mbola am-perinasa mandray anjara mavitrika amin'ny fampiroboroboana, fikatsahana, fiarovana na fikajiana ny fandriampahalemana, ao anatin'ny fanajana ny Satzn'ny Firenena Mikambana sy ny fepetra nanorenana ny UNESCO. » Tany aloha ny loka Félix Houphouët-Boigny- UNESCO dia efa nankasitrahana an'i Nelson Mandela , Yasser Arafat , Yitzhak Rabin , Lula da Silva ary François Hollande. Efa in’ efatra ambinifolo voatendry ho vehivavy matanjaka indrindra eto amin'izao tontolo izao, fanendrena nataon'ny gazetiboky Forbes tamin'ny 2006 hatramin'ny 2020 ity  “chancelière” alemà teo aloha ity, afa-tsy tamin'ny 2010. Nandritra ny 16 taona nitondràny an'i Alemaina, dia toy ny iray amin'ireo mpanao pôlitika notoavin-teny tao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeana izy. Androany, noho ireo ezaka fikatsahana fandriampahalemana vitany nanerana ny tany, indrindra fa noho ilay fanapahankeviny tamin'ny 2015 handray ao Alemaina ireo mpitsoaponenana niisa 1 tapitris mahery avy any Siria, Iràka, Afghanistan ary Érythrée. Ny ady an-trano tao Siria izay nanomboka tamin'ny Martsa 2011 Dia nanery Siriàna an-tapitrisa maro hiaina an-tsesitany, betsaka tamin'ireny no noraisina tany Alemaina. Tamin'ny alàlan'io fihetsika io izay saika novidiany lafo teo amin'ny sehatra pôlitika , noporofoin'i Merkel ny fifikirany amin'ireo soatoavina maha-olombelona. Araka io, ny fankatoavana ilay loka avy amin'ny UNESCO Dia fanampin'ilay loka Nansen avy amin'ny Kaomisarià Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoaponenana ef azony tamin'ny Oktôbra 2022 noho io antony Io ihany. Tao anaty aontsara iray nataony ho an'ny VOA Afrique , nohitrikitrihan'i Merkel fa ireo zo maha-olona dia fotokevitra tsy maintsy ijoroana : “Ny manaja, mitahiry, mizara ireo zo maha-olona, izany no iraka tontosaintsika tsirairay avy. Nanapaka hevitra izahay fa nilaina ny manaja ireny fotokevitra ireny ao anatin'ny pôlitikanay momba ny fifindra-monina. Tsy tontosa izany raha tsy marobe ireo olona nidina teny an-kianja namoritra tanan'akanjo.” Ao anatin'io lahatsoratra io ihany, Audrey Azoulay, tale jeneralin'ny Unesco, no mijoro ho vavolombelon'ny herimpo pôlitikan'i Merkel: . “Tian'ny mpitsara hasongadina ny fanapahankevitra feno fahasahiana noraisiny tamin'ny 2015 handray mpitsoaponenana iray tapitrisa, raha tamin'izany fotoana izany indrindra no nisy feo nisonga nitaky ny hanakatonana an'i Eorôpa. Ianao tamin'izany fotoana izany no endrika ny fahasahiana pôlitika” , hoy ny nambaran'i Audrey Azoulay, tale jeneralin'ny Unesco, tao amin'ny Voa Afrique nandritra ny fanolorana ilay loka. Henri Konan Bédié , mpandimby an'i Félix Houphouët-Boigny , filoha voalohany tao amin'ny Repoblika Ivoariàna no sady Mpiaro ilay loka, no milaza kosa ireo hatsaràna manokan'i Merkel tao anatin'ny fanovàna ny tontolo, ao anaty lahatsoratra iray an'ny Anadolou Agency : ” Mpandova mendrika an'i Félix Houphouët Boigny ianao ao anatin'ireo asa goavana be nataonao hananganana fandriampahalemana ho tombontsoan'ireo mangirifiry ; ianao no mpandova miavaka an'ireo lehilahy sy vehivavy mahery fo izay, manerana izao tontolo izao, tsy nitazam-potsiny ny fijalian'ny hafa, nanaja ny fahalalahany sy ny fahamendrehany.” Araka ny lazain'ny Anadolou Agency , i Alassane Ouattara , filoha am-perinasa ao Côte d’Ivoire, dia nidera ny fitiavana ny mpiarabelona sy ny « lesona goavana momba ny maha-olona » nomen'i Merkel ao anaty tontolo iray izay miha-anjakan'ny fofompofona fanavahan-tena. Nampiany tao anaty bitsika iray fa nampahatsiahivin'i Merkel an'ireo mpitarika erantany ny andraikitr'izy ireny hiray hina amin'ny olombelona rehetra, na inona na inona finoana sy foko niaviany, na avy aiza izy na avy aiza. Mes chaleureuses félicitations à Mme Angela Merkel, ancienne Chancelière de l'Allemagne, lauréate du prestigieux Prix Félix Houphouët-Boigny pour la Recherche de la Paix de l’ #UNESCO . pic.twitter.com/tVW08bbtBO — Alassane Ouattara (@AOuattara_PRCI) February 8, 2023 Ny fiarahabako mitafotafo ho an-Rtoa Angela Merkel,  Chancelière teo aloha tao Alemaina, nahazo ny loka sarobidy  Félix Houphouët-Boigny natokana ho an'ny Fikatsahana Fandriampahalemana, avy amin'ny #UNESCO . pic.twitter.com/tVW08bbtBO — Alassane Ouattara (@AOuattara_PRCI) 8, Febroary 2023 Loka iray mankasitraka ny anjara biriky nentin'ireo vehivavy Taorian'ny nanambaràna ny loka, nanapaka hevitra i Merkel ny hanolotra ny lanjam-bola azony 150.000 dôlara amerikàna  – ho an'ny Fikambanana Ivoariàna Manampy ireo Ankizy Tandindonin-doza, fikambanana mandray an-tànana ireo ankizy niharan'ny fanararaotana sy fitrandrahana. Vaovao izay naverin'ny Mali Actu nalefa tao amin'ny kaontiny twitter . Angela Merkel reçoit le Prix FHB Unesco pour la paix – https://t.co/GKZw8puPRc #Mali L’ancienne chancelière de la République fédérale d'Allemagne, Angela Merkel, a remis le chèque accompagnant le Prix à l’ONG ivoirienne Association nationale d’aide à l’enfance en danger. … pic.twitter.com/Ujaqcmqgib — maliactu (@maliactu) February 9, 2023 Angela Merkel nandray ny Loka FHB Unesco ho an'ny fandriampahalemana. https://t.co/GKZw8puPRc #Mali Natolotry ny chancelière alemà fahiny tao amin'ny Repoblika  Federalin'i Alemaina, Angela Merkel, ho an'ny Fikambanana Ivoariàna Manampy ireo Ankizy Tandindonin-doza ny taratasim-bola nomena azy niaraka tamin'ny Loka FHB. … pic.twitter.com/Ujaqcmqgib — maliactu (@maliactu) 9 Febroary 2023 Fa mbola nankasitraka vehivavy faharoa iray hafa koa ny Loka Félix Houphouët-Boigny/UNESCO : Julienne Lusenge , Kôngôley mpikatroka ho an'ny zon'olombelona, notolorana ny fanamarihana manokana avy amin'ireo mpitsara , notarihan'i Denis Mukwege , mpiray tanindrazany aminy sy nahazo ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana 2018 . Niavaka tamin'ny fanoloran-tenany ho an'ireo vehivavy niharan'ny herisetra ara-nofo tao amin'ny Repoblika Demaokratikan”i Kôngô i Lusenge. Nomarihan'ilay mpikatroka ihany koa io tao amin'ny kaontiny twitter . C’est un grand honneur pour moi de recevoir à ce jour la mention d’honneur Félix Houphouët Boigny-UNESCO. Elle est notre, et je la partage avec toutes les femmes et filles congolaises qui paient aujourd’hui en #RDC le lourd tribut de l’insécurité et des conflits armés. #PrixFHB pic.twitter.com/J37wi56Qmu — Lusenge Julienne (@LusengeJ) February 8, 2023 Voninahitra lehibe ho ahy ny mandray ny Fanamarihana Manokana  Félix Houphouët Boigny-UNESCO. Antsika io, ary zaraiko amin'ireo rehetra vehivavy sy tovovavy Kôngôley izay mizaka ny mafy amin'izao fotoana izao noho ny tsy fandriampahalemana sy ny ady mitam-piadiana ao #RDC . #PrixFHB pic.twitter.com/J37wi56Qmu — Lusenge Julienne (@LusengeJ) 8 Febroary 2023 Hafatra fandriampahalemana alefan'i Côte d’Ivoire ho an'ny vahoakany sy izao tontolo izao Ilay lanonam-panolorana loka ho an'ny chancelière alemà fahiny dia fotoana ihany koa nahafahan'ireo Ivoariàna nahita ny fandriampahalemana nankalazaina sy nohamafisina. Fa indrindra, io fotoana io no nahafahana nampifanatrika mivantana imasom-bahoaka ireo goavana mpisehatra amin'ny pôlitika ao amin'ny firenena. Araka izany, ireo filoha ivoariàna taloha, Laurent Gbagbo sy Henri Konan Bédié , samy mpanohitra nafana vay an'i Alassane Ouattara, filoham-panjakana amin'izao fotoana izao, dia samy hita niray latabatra tamin'ity farany avokoa. Io no manamarika ny fisehoana voalohany imasom-bahoaka niraisan-dry zareo hatramin'ny Jolay 2022, raha eo am-piomanana hiatrika fifidianam-paritra sy monisipaly hatao amin'ny Oktôbra sy  Novambra 2023 ny firenena. Nisaoran'i Ouattara teo anatrehan'ny rehetra i Gbago mpifanandrina aminy: « Avantako amin'ny zandrilahy Laurent Gbagbo ny fisaorako. Tamin'ny namaliana ny fanasànay dia manome voninahitra ny fahatsiarovana ny filoha Félix Houphouët-Boigny sy ireo idealiny momba ny fandriampahalemana izy, ary manaporofo ny firaiketampony amin'ny fandriampahalemana. » Tondro iray amin'ireo ambana fanakorontanana io antso atao amin'ny firenena mba hisian'ny fandriampahalemana io. Na sarotra aza ny haminavina momba izay mety ho vokatra amin'ireo fifidianana ho avy, dia mazava fa ho henjana ny lalao : ho amin'izany dia handray anjara i Gbago, amin'ity indray mandeha ity dia miaraka amin'ny antokony PPA-CI , raha tsy isan'ireo mpihazakazaka izy tamin'ny 2018 izay nandresen'ny  Rassemblement des Houphouëtistes pour la Démocratie et la Paix (RHDP) nanohana an'i Ouattara tany Amina faritra 18, raha enina kosa ho an'ny PDCI-RDA an'i Bédié.
https://mg.globalvoices.org/2023/02/28/162978/
Ao Senegaly, fifanenjanana eo amin'ny filoha Macky Sall sy ilay mpanohitra, Ousmane Sonko, herintaona mialoha ny fifidianana ho filohampirenena
2023-02-28T03:47:03
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny France 24 Aty amin'ny herintaona mialoha ny fifidianana ny ho filoham-pirenena hatao amin'ny 2024 ao Senegaly, miatrika raharaham-pitsaràna tsy milaza zavatra tsara ho an'ny zotra demaokratika ilay kandidà fototra avy amin'ny mpanohitra, Ousmane Sonko, ao anaty firenena iray efa hatry ny ela no noheverina ho toy ny fakàna tàhaka ao Afrika. Ousmane Sonko dia endrika iray fantadaza amin'ny tontolo pôlitika senegaly : izy no filohan'ny antoko Patriotes du Sénégal pour le travail, l’éthique et la fraternité (PASTEF),  efa solombavambahoaka fahiny tao amin'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny 2017 hatramin'ny 2022, ary Ben'ny tanànan'i Ziguinchor , any atsimo-andrefan'ny firenena hatramin'ny 2022. Sonko dia pôlitisiàna somary mbola tanora ihany (48 taona) ary fantatra amin'ny fomba fijeriny panafrikanista, araka ny lazain'ny bitsika nalefan'i Isaac Amadu , mpahay tantara sy ny mombamomba ireo olombelona afrikàna. LE PANAFRICANISTE SÉNÉGALAIS OUSMANE SONKO CHANGE LES NOMS DES RUES PORTANT LES COLONIALISTES FRANÇAIS DANS LA VILLE DE ZIGUINCHOR. Révolutionnaire et panafricaniste aguerri, notre camarade de lutte et militant anti colonialiste Ousmane change les noms des rues. pic.twitter.com/3FpTrmOs83 — ISAAC AMADU ⭐️⭐️⭐️ (@lhommedacier43) December 2, 2022 OVAIN'ILAY SENEGALY PANAFRIKANISTA, OUSMANE SONKO, IREO ANARAN-DALANA NITONDRA NY ANARAN'IREO FRANTSAY MPANJANAKA TAO AN-TANANAN'I ZIGUINCHOR. Revolisiônera sy panafrikanista mahery fo, ovain'i Ousmane, namana mpiara-mitolona amintsika no sady mpikatroka mpanohitra ny mpanjanaka ireo anaran-dàlana. pic.twitter.com/3FpTrmOs83 — ISAAC AMADU ⭐️⭐️⭐️ (@lhommedacier43) Taorian'ny fandresena azon'ny mpanohitra nandritra ireo fifidianana ben'ny tanàna sy solombavambahoaka tamin'nyJanoary sy Jolay 2022,  izay nanilihan'ny vovonana nisy azy ny maha-maro an'isa ny mpiara-dia amin'ny filoha, nambaran'i Ousmane Sonko tamin'ny Aogositra 2022 ny fikasàny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin'ny 2024. Tonga tamin'ny toerana fahatelo i Sonko tamin'ny fifidianana tamin'ny 2019, nahazo vato 15% taorian'i Idrissa Seck sy ny filoha avy nandao ny toerany Macky Sall . Amin'ny maha-filoha mpitarika ny mpanohitra an'i Macky Sall azy, efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 2012 , lasibatr'ireo fanafihana atao mba hanaratsiana azy izy ankehitriny. Ao anatin'ity lahatsary noraketin'ny mpisolovava azy ity, ary nalefa eny anaty tambajotra sôsialy, isan'izany ny media senegaly Senenews ao amin'ny YouTube, tsikaritra ireo mpitandro filaminana senegaly eo am-pamakiana ny fitaratry ny fiaran'ilay mpanao pôlitika mba hamoahana an-kery azy: Tamin'ny 16 Febroary 2023 izany no nitranga raha iny handeha hody tany aminy iny i Sonko taorian'ny fampiantsoana azy ho eny amin'ny fitsaràna tao Dakar. Miatrika ny fitsaràna senegaly ilay mpanohitra noho ny vesatra « fanalàna baràka, fanompana, ary fanaovana hosoka », ao anaty raharaham-pitsaràna anenjehan'i Mame Mbaye Niang , minisitry ny fizahantany azy. Tsy ela akory izay dia nampangaina ihany koa i Sonko ho nanolana ary dia notànana ho ambany fanarahamason'ny fitsaràna tamin'ny Martsa  2021, rehefa avy lasibatry ny fitoriana nataon'i Adja Sarr, vehivavy mpiasa amin'ny trano fikarakaràna endrika aman-bika, tamin'ny Febroary 2021. Araka ny nambaran'i Sonko, vokatry ny fanamboamboarana antontan-taratasy hanenjehana azy ireny fiampangàna ireny, nataon'i Macky Sall sy ny governemantany mba hanakanana azy tsy ho afaka hirotsaka amin'ny fifidianana amin'ny 2024. Izay indrindra, mety hitondra mankany amin'ny tsy fahafahany mirotsaka hofidiana ny fiampangana rehetra atao azy. Ao amin'ny kaontiny twitter , milaza izy fa lasibatry ny filam-baniiny ara-pôlitika: Un dossier dont l'actuel premier ministre, alors ministre des Finances, a confirmé l'existence. Et ils pensent qu'ils vont utiliser ce dossier pour nous empêcher d'être candidat à la présidentielle de 2024 ! — Ousmane Sonko (@SonkoOfficiel) February 16, 2023 Antontan-taratasy iray,izy nohamafisin'ny praiminisitra amin'izao fotoana izao ny fisiany, minisitry ny fitantanambola tamin'izany. Ary dia mihevitra ry zareo ny hampiasa io antontan-taratasy io mba hanakanana anay tsy ho kandidà amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin'ny 2024 — Ousmane Sonko (@SonkoOfficiel) 16 Febroary 2023 Araka ny lazain'ny gazety LaCroix , ny filoha senegaly dia miampanga ihany koa an'i Sonko ho « mpanakorontana » sy « mpambabo olona » taorian'ireo korontana namoizana ain'olona tamin'ny Martsa 2021. Fitontonganana demaokratika sy fitomboan'ny herisetra pôlitika Lasitra demaokratika ho an'i Afrika andrefana (faha-3 aorian'i Cap Vert sy Ghana teo anelanelan'ny 2015 sy 2020) hoy ny The Economist Intelligence Unit, matetika i Senegaly no raisina ho  toy ny ohatra fakàna tàhaka ao Afrika Andrefana. Saingy nanomboka tamin'ny 2021, nisy fihenjanana niverimberina, ary indrindra fa « firotsahana iray tsy zakany saina » ataon'i Macky Sall no manamaloka io sary io. Momba izay, mazava ny lazain'ny andininy faha-27 amin'ny lalam-panorenan'ny firenena : Andininy faha-27,  Andininy voalohany amin'ny lalàm-panorenana n° 2016-10 tamin'ny 05 aprily 2016 momba ny fanitsiana ny Lalàm-panorenana (JORS, laharana manokana 6926 tamin'ny 07 Aprily 2016, p.505), andininy manova sy manolo ny andininy faha-27. « Dimy taona no fe-potoam-piasàn'ny filohan'ny Repoblika. Tsy misy na iza na iza afaka hisitraka fe-potoam-piasàna in-droa misesy ». Na ohatra aza i Sall, voafidy hitondra nandritra ny fito taona tamin'ny  2012, avy eo indray fe-potoam-piasàna dimy taona tamin'ny 2019, ka mbola tsy nanambara tamin'ny fomba ôfisialy ny ho firotsahany, ny fahanginany manoloana ilay resaka momba ny fe-potoam-piasàna manaraka eo dia efa milaza zavatra betsaka. Avelan'i Sall ho ao anatin'ny manjavozavo ny rehetra aloha hatreto: ny 9 Desambra 2021, nilaza izy tao anaty antsafa nifanaovany tamin'ny France 24 “« Horesahako amin'ny fotoana maha-mety azy io adihevitra io, nefa tsy hanao fihetsika mifanohitra amin'ny demaokrasia na ny lalàm-panorenana mihitsy aho. “: Raha toa i Sonko mendrika ny ho mpifanandrina mafy amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena amin'ny taona 2024 ary manohy mampiseho ny heriny ireo mpanohitra, dia voarara ny fivorivoriany tato anatin'ny volana vitsivitsy. Ankoatra izay, marobe ireo mpikatroka no nogadraina. Nosamborina ihany koa ireo mpanohitra sy mpikatroka hafa hatramin'ny niandohan'ny adihevitra manodidina ny fe-potoam-piasana fahatelo ho an'i Macky Sall. Nandritra ny fihetsiketsehana hitakiana ny fanafahana ireo rehetra  voafonja noho ny resaka pôlitika, tamin'ny Martsa 2021, olona dimy farafaha-keliny no maty. Nosamborina ihany koa i Sonko, izay araka ny voalazan'ny LaCroix , Dia  mampiseho “marina ny tena endriky ny ny filoha Macky Sall” ary mampiseho “ny fanenjehana mitohy atao amin'ireo tsy mitovy hevitra aminy”. Teo amin'ny Twitter, tsy niala tamin'ny fanasongadinana ny tsy fahampiana sy ny fihenan'ny demaokrasia ao amin'ny firenena ireo olom-pirenena. Manoratra i Cheikh Fall , mpikatroka afrikana-senegaley hoe : Honteux ! Tellement honteux de voir les acquis de notre démocratie s’effriter au quotidien. Un procès entre deux citoyens d’un même pays. Au final, c’est cette vidéo que le monde entier aura retenu. Un #Senegal jadis cité en exemple qui devient la risée de toute l’Afrique. 🙃 pic.twitter.com/p64CFuEtqA — Cheikh Fall™ (@cypher007) February 17, 2023 Mahamenatra ! Tena mahamenatra ny mahita ny zavatra entin'ny demaokrasiantsika mirodana isan'andro. Fitsarana natao tamin'ireo olom-pirenena roa mitovy firenena. Tamin'ny farany, ho tsaroan'izao tontolo izao ity lahatsary ity. #Senegal iray, indray andro notononina ho ohatra fakàna tàhaka nefa nanjary fihomehezan'i Afrika manontolo. 🙃 pic.twitter.com/p64CFuEtqA — Cheikh Fall™ (@cypher007) February 17, 2023 Olom-pirenena iray hafa Pisco Galsenboy , manoratra fa : La démocratie est chimérique au Sénégal 😡😡 Les neutres ou les Nafekh de la nation ne venez plus jamais dans mes mentions pour soit disant justifier ces actes de piétinement de la démocratie et de liberté individuelle vous êtes prévenus 🫵🏾 pic.twitter.com/XyPdDGKbHQ — Pisco_Galsenboy 🇸🇳 (@papaba221) February 16, 2023 Mahavery saina ny demokrasia ao Senegaly 😡😡 Tsy ho tonga intsony amin'ireo voalazako ny tsy miandany na ny Nafekh izay heverina hanamarina an'ireo hetsika fanitsakitsahana ny demaokrasia sy ny fahalalahan'ny tsirairay nampitandremana anareo🫵🏾 pic.twitter.com/XyPdDGKbHQ — Pisco_Galsenboy 🇸🇳 (@papaba221) 16 Febroary 2023 Mihiakiaka ny fahatezerany i Alioune Tine , mpanorina ny Think Tank Afrikajom Center : Je suis indigné par le traitement violent que les forces de l’ordre ont fait subir au Président du Pastef Ousmane Sonko. J’ai honte pour le niveau bas dans lequel est tombé la démocratie sénégalaise avec la criminalisation de l’opposition démocratique. Il est d’arrêter l’escalade https://t.co/ODEbuXExmg — Alioune Tine (@aliounetine16) February 16, 2023 Tezitra noho ny fanaovana herisetra nataon'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny Filohan'i Pastef, Ousmane Sonko, aho. Menatra aho amin'ny fitondrantena mirefarefa izay nianjeran'ny demaokrasia senegaley miaraka amin'ny fanamelohana ny mpanohitra demaokrasia. Fampikatsoana ny fisondrotana izany https://t.co/ODEbuXExmg — Alioune Tine (@aliounetine16) 16 Febroary 2023 Hamid , mpisolovava mpandraharaha Senegaley, ho azy dia nanondro an'i Macky Sall ireo mpilalao hafa maniry hamono ny demaokrasia senegaley sy hametraka ny firenena anaty korontana izy. #FreeSenegal Au Sénégal 17 têtes dt le principal Macky Sall, 2 dames, 1 jeune fille, 1 Ministron, 1 individu, 2 Ministres, 1 haut commandant, 1 juge, 3 procureurs, 4 magistrats d'instance veulent assassiner la démocratie et mettre le pays dans le CHAOS. Ils ont ce lourd fardeau ! — Hamid (@HamidTidjnjaay) February 24, 2023 #FreeSenegal Ao Sénégal, lohandohany 17 izay ny lehibe dia Macky Sall, ramatoa 2, tovovavy 1, 1 Minisitra, olona 1, Minisitra 2, komandy ambony 1, mpitsara 1, mpampanoa lalàna 3, mpitsara tomponandraikitra 4 no maniry hamono ny demaokrasia ary mametraka ny firenena anaty KORONTANA. Manana izany enta-mavesatra izany izy ireo ! — Hamid (@HamidTidjnjaay) 24 Febroary 2023 Ny gadon'ny fihenjanana sy ny fanamelohana dia marika iray azo antoka fa ny demaokrasia senegaley dia atahorana kokoa noho ny taloha.
https://mg.globalvoices.org/2023/02/28/162982/
Tatitra maneho ny haavon'ny kolikoly tamin'ny fitantanan'ny vola natokana ho an'ny Covid tao Afrika
2023-02-28T20:01:50
Unknown
Sary an'i Olga Lionart avy tao amin'ny Pixabay Nitranga voalohany tamin'ny 16 Febroary 2019 tao Wuhan, tao afovoan'i Shin, namely tampoka an'izao tontolo izao ny COVID 19 tamin'ny 2019 ary niteraka fahafatesana olona efa ho 7 tapitrisa . Nanoloana ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana manara-penitra tao amin'ny tanibe Afrikana dia efa azo an-tsaina ny loza ary nihetsika ny fanjakana mba hisorohana ny ratsy. Saingy tsy fotoana velively noararaotina hahafahana manamafy ny lafiny ara-pahasalamana, fa nitarika ho amin'ny fanaovana kolikoly ny fitantanana ilay krizy. Azo tsapain-tanana izany ankehitriny avy amin'ireo tatitra marobe mampiseho ny kaontim-bola tamin'ireo vola natokana hiadiana amin'ny Covid tany amin'ireo firenena Afrikana sasany toa an'i Togo sy Sénégal. Fitorohana tao Togo Tany Togo, ny fitsarana misahana ny kaontim-bola (sampana iray miandraikitra ny fanarahamaso ny volam-Panjakana) ao Togo dia namoaka ampahibemaso ny tatitra fanamarinana nataony tamin'ny 1 Febroary 2023 mikasika ny fitantanana ny tahirim-bola fanehoana firaisankina sy natokana handresena ny Covid19 (FRSC). Tononon'ity tatitra ity ny tsy fahamarinana mikasika ny fandaniana sasany, ary miteraka adihevitra eo amin'ny sehatra nasionaly. Araka izany, nomena tsy misy rafitra ireo fifanarahana sasany, ary tsy misy antontan-taratasy fanamarinana ny vola sasany nolaniana . Na tamin'ny alalan'ireo ranty tety amin'ny tambajotra na tamin'ny alalan'ny antsafa ho an'ny mpanao gazety, dia marobe ireo olona manana ny manana ny maha-izy azy no miampanga ireny fanaovana kolikoly ireny. Tamin'ny 7 Febroary 2023, ny filohan'ny antoko mpanohitra nouvel Engagement Togolais (NET) sady mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena, Gerry Taama , dia naneho ny hatezerany tao amin'ny pejy Facebook-ny ary nitaky ny tokony hanomezana sazy hentitra mifanaraka amin'izay fitondran-tena tsy mendrika hita. (…) tantara ratsy goavana izany. Mampangorintsina ahy ny famakiana ity tatitra ity. Ny sasany milamina tsara, ary ny hafa tena tsy miraharaha, fa ny famintinana dia ny hoe very maina ireo volam-bahoaka sy ireo fanampiana, ratsy tantana na nahodina (…) Mitodika amin'ny filoham-panjakana aho. Ilaina ny sazy sy ny fanonerana. Teo amin'ny kaonty twitter -ny i Nathaniel Olympio , mpandraharaha ara-tontolo iainana sady lehilahy Togoley mpanao politika, dia nametra-panontaniana mikasika ny fanapahan-kevitry ny Filoha Faure Gnassingbé momba ilay tatitra fitsirihana. #Togo : Encore corruption sur des milliards ? Le fonds riposte Covid en 2020, c’est 183.494.620.882. Des anomalies, irrégularités et procédures viciées portent sur 39.357.949.757, soit +de 21% du montant du fonds, selon le rapport de la Cour des comptes. Que décide @FEGnassingbe ? pic.twitter.com/eM2c86hIaX — Nathaniel Olympio (@nathanielolymp) February 7, 2023 Z #Togo : Mbola kolikoly amina miliara foana ? Ny vola hiadiana amin'ny Covid tamin'ny  2020 dia mahatratra 183.494.620.882. Ireo fahadisoana, tsy ara-dalàna sy ny zotram-pitantanana diso dia nahitana 39.357.949.757, na ny 21% tamin'ny famatsiam-bola, araka ny tatitry ny Mpanamarina ny kaontim-bola. Inona no fanapahankevitr'i @FEGnassingbe ? pic.twitter.com/eM2c86hIaX — Nathaniel Olympio (@nathanielolymp)  7 Febroary 2023 Mandon-databatra ihany koa ny vondron'ireo firaisamonim-pirenena. Tamin'ny 13 Febroary 2023, hetsika 11 sy fikambanana 11 no mitaky ny fanenjehana an'ireo olona voakasik'ilay tatitra. Tamin'ny 14 febroary 2023, fikambanana dimy hafa no nitaky ny fialàn ‘ny fitondrana ankehitriny. Teo amin'ny fandraisam-peon'ny Radio France Internationale , Thomas Dodji Koumou, mpahay toe-karena sady filohan'ny Coalition Lidaw, ivondronan'ireo fikambanana maro avy amin'ny fiarahamonim-pirenena dia nilaza fa voafitaka ary miantehitra amin'ny fitsaràna mba hanapaka. Azonay lazaina aminareo tsy mihambahamba ankehitriny fa miatrika fivadiam-pitokisana, hosoka, hosoka amin'ny hetra isika. Nampidirinay ihany koa ny fivoahan'ny vola amin'izay antsoina hoe fanabontsinana faktiora tamin'ireo entana nafarana – nandeha izany tamin'ny trangana fanafarana fakantsary mitily hafanana. Miantehitra amin'ny fidiran'ny fitsarana izahay manomboka eto, izay tsy maintsy manapa-kevitra. Fandàvan'ny governemanta Togoley Tao anatin'ny tazo nentin'ireo fahatezerana ireo, ny governemanta tamin'ny alalan'ny fanambaràna an-gazety tamin'ny 9 Febroary 2023, dia nilaza hijery ilay tatitra navoakan'ny Fitsarana momba ny kaonty. Na izany aza, faly izy tamin'ny nilazan'ity tatitra ity hoe manaraka ny fenitra, tsy tapaka ary natao tamin'ny fo  ireo fepetra sakana. Milaza izy fa : Ny fitaovana rehetra  nahetsika tamin'ny alalan'ny FRSC dia nampiasaina nifanaraka tamin'ny votoatin'ireo  fifanarahana mikasika ny fanomezana sy ny fampindramana amin'ny lafiny iray, ary  anatin'ny fanajàna ny andinin-dalàna manankery sy ireo izay niraisina tao anatin'ny toejavatra niteraka hamehana ara-pahasalamana. Tsy mendrika ho an'ny Togoley maro io tsy fanekena ho diso io. Ao anaty sioka iray, mamaly fohy ny praiminisitra sy ny governemantany i Nathaniel Olympio , izay manoritra ireo fandaniana voatondro tao anaty tatitra ho toy ny “fandaniana ara-dalàna”. Manoratra izy fa : #Togo : Mme la PM @DogbeVictoire , ne prenez pas le Togolais pour un sot ! Votre administration publie un rapport explosif sur la gestion calamiteuse du fonds Covid, puis vos ministres racontent que toutes les dépenses sont régulières. #RapportFRSCTogo #Corruption #Gouvernance — Nathaniel Olympio (@nathanielolymp) February 12, 2023 #Togo : Madama PM @DogbeVictoire , aza raisina ho  adala ny Togoley ! Ny fitantananao mamoaka tatitra manapoaka ny fitantanan-draharahanao man-doza momba ny volan'ny Covid, dia ireo minisitrao indray mitantara fa ara-dalàna avokoa ny fandaniana. #RapportFRSCTogo #Corruption #Gouvernance — Nathaniel Olympio (@nathanielolymp) 12 Febroary 2023 Anani Sossou , Togoley mpanao gazety, mpandalina ny fifandraisana ara-politika sy ny krizy, manampahaizana mikasika ny fifandraisana amin'ny daholobe kosa indray teo amin'ny kaontiny twitter, dia manontany tena mikasika ny fahafampon'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta mikasika ity tatitra ity. #Togo : Avec les observations contenues dans le Rapport de la Cour des Comptes, a-t-on encore besoin d’expertise pour comprendre l’ampleur des dégâts et des détournements de deniers publics? Et le gouvernement se donne un satisfecit? #RapportFRSCTogo #Corruption #TT228 #TgTwittos pic.twitter.com/5JEz2Souv1 — Anani Sossou (@SossouAnani) February 11, 2023 #Togo: Miaraka amin'ireo fanamarihana tao anaty tatitry ny Fitsarana momba ny Kaonty, mbola mila fahaizana foana ve ny fahatakarana ny fahalehibeazan'ireo tsy fetezan-javatra sy fanodikondinam-bolam-bahoaka ? Ka Dia mbola manome mariky ny fahafaham-po ho an'ny tenany ihany ny governemanta ? #RapportFRSCTogo #Corruption #TT228 #TgTwittos pic.twitter.com/5JEz2Souv1 — Anani Sossou (@SossouAnani) 11 Febroary 2023 Araka ny filaharana nomen'ny Tondrom-Pahitàna ny Kolikoly nataon'ny Transparency International , tamin'ny 2021 , nahazo ny naoty 30 amin'ny 100 i Togo ary voakilasy ho firenena faha-128 amin'ireo firenena 180. Tamin'ny 2022 , nidina ho laharana faha 130 ny firenena, izay mampiseho ny  haavon'ny kolikoly ao amin'ny firenena. Fihetsiketsehana sy fanokafana fanadihadiana ao Senegaly Tsy i Togo irery akory no voaporofo fa niharan'ny kolikoly : manana olana mitovy amin'izany ihany koa i Senegaly. Mitaky ny hisian'ny hanenjehana  ara-pitsaràna ny mpanohitra sy ireo hetsiky ny fiarahamonim-pirenena tamin'ny Desambra 2022 taorian'ny famoahana tatitra iray mikasika ny fitantanana ny volan'ny Covid. Araka izany, Aminata Touré , praiminisitra taloha sy minisitry ny fitsarana taloha tao Senegaly dia manohitra ao amin'ny kaontiny Twitter hoe : Nous avons besoin d’explications sur le rapport de la cour des comptes concernant la mauvaise gestion des fonds de la #covid19 . C’est tout simplement une abomination ! L’argent du contribuable doit être ramené dans les caisses de l’Etat. pic.twitter.com/gexE1mhfpe — Aminata TOURE (@aminatatoureklk) December 19, 2022 Mila fanazavana mikasika ny tatitra navoakan'ny  fitsaràna mpandinika ny kaontim-pitantanana izahay mikasika ny fitantanana ratsy ny volan'ny #covid19 . Fahavetavetana tsotra izao ! tokony ho averina ho ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakana ny volan'ny mpandoa hetra. pic.twitter.com/gexE1mhfpe — Aminata TOURE (@aminatatoureklk) 12 Desambra 2022 Taorian'izay, « Sunu’y milliards du ress » (tsy hanjavona ny miliaranay), hetsika iray niseho ny ampitson'ny namoahana ny tatitra, dia nametraka fitarainana mitaky ny hanenjehana eny amin ny fitsaràna ireo olona voatanisa ao anatin'ilay tatitra. Avy eo, niantso fihetsiketsehana tamin'ny 30 Desambra 2022 tamin'ny alalan’ bitsika iray ny  ny vovonana Yewwi Askan Wi ivondronan'ny ampahany amin'ny antoko mpanohitra : Tous à la manifestation du 30 ! pic.twitter.com/CZmAhbgKdf — Yewwi Askan Wi (@yewwi_askanwi) December 28, 2022 Hihetsika daholo amin'ny 30 ! — Yewwi Askan Wi (@yewwi_askanwi) December 28, 2022 Nahitam-bokany ihany ny hetsika sy ny fanetsehana nataon'ireo mpisehatra isan-karazany ao anatin'ny fiarahamonim-pirenena Senegaly. Tamin'ny 6 Febroary 2023, araka ny voalazan'ny gazety Le Monde , nanome baiko ny fitsaràna Senegaly ny  hanokafana fanadihadiana mikasika ireo tranga voalaza fa “kolikoly sy fanararaotam-pahefana” teo amin'ny fitantanana ny Vola natao hiadiana amin'ny Covid-19, ary arahin'ny sampana fanadihadiana heloka bevava eo anivon'ny polisim-pirenena ny raharaha. Olana manerana ny tanibe Marobe ireo tomponandraikitra ao Afrika atsimon'i Sahara no voarohirohy amin'ny fanodinkodinana na fitantanana ratsy ny vola natokana ho amin'ny ady hanoherana ny valanaretina Covid-19, indrindra ny tao Kamerona sy tao Afrika Atsimo . Tao Mali, manampahefana telo no voampanga mikasika ny fitantanana ratsy ny vola natao hiadiana amin'ny Covid tamin'ny Novambra 2022 noho ny “fanimbana fananam-bahoaka”, mifandray amin'ny fitantanana ny volan'ny ady amin'ny covid mitentina ny 15 tapitrisa euro any ho any. Io olana io koa dia nolazain'ny fikambanana iraisam-pirenena toy ny ONU. Raha miainga amin'ireo ohatra momba an'i Togo sy Senegaly, ny Dokotera Thierno Baldé , tomponandraikitry ny hetsika fanoherana ny Covid tao amin'ny biraom-paritry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) Afrika dia nanamafy indray tamin'ny 14 Febroary 2023 ny politika tsy misy fitsaràna napetraky ny  OMS momba ny faharatsiam-pitantanana ireo vola .
https://mg.globalvoices.org/2023/02/25/162587/
Mitaky ny zony ety anaty tambajotra ry zareo Togoley
2023-02-25T12:29:40
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny France 24 sampana teny anglisy Manerana ny tany, na tanora na olondehibe dia tsy  misalasala manandratra ny feony hiampanga ireo fitantànana ts mahomby amin'ny sehatra rhetra, ary mitaky  mandritra izay fotoana izay ihany ny fahasambarana ho an'ny vahoaka eny anatin'ny vondrom-piarahamonina, manerana ny firenena, isam-paritra, ary manerana ny kaontinanta mihitsy aza. Ao Tôgô, toy ny any an-kafa ihany koa, mampaka-peo ihany koa ireo mpikatroka marobe. Fiarovana ny zon'olombelona, ny zon'ny vehivavy sy ny feminisma, fampiroboroboana ny tany tàn-dalàna sy ny  fitantanana demaokratika, fiarovana ny tontolo iainana ary ady amin'ny fiovàn'ny toetrandro: ireny sehatra rehetra ireny no naverin'ireo tanora Togoley noraisina, izay manao ny asa fikatrohana ho toy ny soavaly enti-miady. Atokan-dry zareo ny angovony ho amin'ireny tolona ireny satria resy lahatra izy ireo ny amin'ny hahaterahan'ny fiovàna avy amin'ny alàlan'ny hetsika ataon-dry zareo. Ny tontolo iainana sy ny fiovàn'ny toetrandro Tsy afa-bela tamin'ireo fiantraikan'ny fihasimbàn'ny tontolo iainana sy nyfiovàn'ny toetrandro i Tôgô, indrindra fa naterak’ ireo famokarana angovo, fandripahana ala, ary ny fandefasana ireo entona marobe mampitombo hafanàna. Takian'ny vahoaka ny hisian'ny firotsahana an-tsehatra bebe kokoa, ny fandraisana andraikitra sy fandaharanasa avy amin'ireo manampahefana ara-panjakana, na izany na tsy izany anefa, zavadehibe tokoa ny fandraisana anjaran'ireo vondrom-piarahamonina noho izy ireo tena ilay sosona voakasika be amin'ny vokadratsin'ireny loza voajanahary ireny. Kevin Ossah, mpikatroka amin'ny resaka toetrandro sady talen'ny ONG OJEDD International, dia iray amin'ireny tanora ireny izay mahaonga ny zavatra rehetra handroso eny anatin'ireo vondrom-piarahamonina, eny fa na dia ireo any amin'ny toerana lavitra indrindra ao amin'ny firenena aza. Noho ny fikatrohany ara-politika dia nataony nanakoako ny anaran'i Togo sy Afrika nandritra ireo fivoriam-be sy fihaonambe iraisam-pirenena mikasika ny tontolo iainana sy ny fiovan'ny toetrandro . Namporisihiny ireo tanora marobe handray anjara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ary nitondra fiovan'ny toe-tsaina teo amin'ireo vahoaka Togoley sasany izany. Nahomby ihany koa ny fampijoroany ny fikambanana OJEDD Iraisam-pirenena tany amin’ ireo firenena 16 maneran-tany. Ity Fikambanana ity no mpitondra ny feon'ireo tanora Afrikana tamin'ny fihaonambe “ Youth4Climate : Driving Ambition ”, natao tamin'ny 28 hatramin'ny 30 Septambra 2021 tao Milan tao Italia. Anarana lehibe iray hafa amin'ny fikatrohana Togoley i Nadège Abidé Boumogue izay misongadina amin'ny tolona ho an'ny toetrandro sy ny fiarovana ny tontolo iainana ao amin'ny faritra misy azy sy eo amin'ny sehatra nasionaly. Ny fanoloran-tenany no nahatonga azy ho voafidy sy nandray anjara tamin'ny CoP 27 natao tamin'ny 6 hatramin'ny 18 Novambra 2022 tany Sharm El-Sheik any Ejipta. La journée du 9 Novembre a été bien mouvementée à la @COP27P J'ai participé à la #fresqueDuClimat à la session sur le genre et climat et à un magnifique atelier sur la coopération nord sud au pavillon du #CANADA pic.twitter.com/Zi46LrKrIm — Nadège A. Boumogue (@NadegeBoumogue) November 10, 2022 Nafàna be ny andron'ny 9 Novambra nandritra ny @COP27P Nandray anjara tamin'ny #fresqueDuClimat aho tamin'ny fotoam-pivoriana mikasika ny miralenta ary ny toetrandro, sy tamin'ny atrikasa mahafinaritra mikasika ny fiaraha-miasa avaratra-atsimo tao amin'ny tranohevan'i #CANADA pic.twitter.com/Zi46LrKrIm — Nadège A. Boumogue (@NadegeBoumogue)  Novambra 2022 Mpanao gazety roa miresaka ny tontolo iainana i Edem Dadzie sy Hector Namangue izay mikatrika ihany koa amin'ny resaka toetrandro. Ny voalohany dia tomponandraikitra amin'ny tranonkala www.lepapyrus.info , haino aman-jery milaza vaovao ankapobeny  izay manome toerana manan-danja ny vaovao momba ny tontolo iainana, sady talen'ny fikambanana Afrique Eco 2100 izay mampiroborobo ny Afrika Ekôlôjika. Ny faharoa kosa indray dia talen'ny tranonkala misahana ny tontolo iainana www.vert-togo.tg . Nandray anjara tamin'ny Cop 27 ihany koa izy mba hizara ny traikefany amin'ny maha mpikatroka azy : A LA #COP27 , honneur pour moi d’avoir eu une discussion de collaboration avec @JamesFahn Journaliste #Environnement et Directeur exécutif du #Earth #Journalism #Network d’ #Internews , une communauté mondiale de plus de 5 000 #Journalistes qui couvrent les sujets #environnement pic.twitter.com/jBeaqFSBj0 — NAMMANGUE Hector (@NammangueHector) November 15, 2022 Tao amin'ny #COP27 dia voninahitra ho ahy ny nanao adihevitra iray mombany hiarahana miasa tamin'i @JamesFahn Mpanao gazety #TontoloIainana sady Filoha mpanatanteraka ao amin'ny #Earth #Journalism #Network an'ny #Internews , vondrom-piarahamonina iray maneran-tany misy #mpanaongazety maherin'ny 5 000 izay mandrakotra ny lohahevitra #tontoloiainana pic.twitter.com/jBeaqFSBj0 — NAMMANGUE Hector (@NammangueHector)  Novambra 2022 Tanora mpikatroka ho an'ny zon'ny Vehivavy sy ny feminisma Mihabetsaka ireo vehivavy mandray anjara amin'ny fiarovana ny tombontsoany. Manahy mikasika ny fiheverana sy fitsaboanfomba fitondra atokana ho an'ny vehivavy, iray amin'ireo mpisava lalana amin'ny ady feminista ao Togo i Elsa M’Bena Ba . Miaraka amin'i Reyhanath Toure Mamadou , Floriane Klinklin Acouetey ary ireo tovovavy hafa, napetrak'izy ireo ny fototry ny hetsika iray izay mampivondrona ireo tovovavy hafa niharan'ny fanararaotana sy ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na vavy (VBG). Sharon Mukwawaya , dia olo-malaza iray hafa amin'ireo tanora mpiaro ny zon'ny vehivavy ao Togo. Izy sy ireo vehivavy voatonona tetsy ambony no mpanorina ihany koa ny vondrom-piarahamonina Les Négresses Féministes ao Togo. Voninahitra mendrika atolotra azy ireo ny nikarakarana zaikabe roa feminista teo anivon'ny sehatra nasionaly sy isam-paritra . Ouverture ce matin à Lomé du 2ème colloque des féministes du Togo organisé par les Négresses féministes et @MenengageTogo avec l'appui de @awdf01 @awdf01 . Le thème de cette édition est “Le bien-être mental des féministes” pic.twitter.com/sGHGInZTXM — African Women's Development Fund (@awdf01) October 22, 2022 Fanokafana amin'ity maraina ity ao Lomé ny zaikabe faharoa an'ireo feminista ao Togo nokarakarain'ny Négresses féministes sy ny @MenengageTogo miaraka amin'ny fanohanan'ny @awdf01 . Ny lohahevitra amin'io andiany io dia ny hoe “Ny fiadanana ara-tsain'ireo feminista” pic.twitter.com/sGHGInZTXM Fikatrohana ara-politika manelingelina Fovi Katakou , Foly Satchivi , Jean-Paul Oumolou , Farida Nabourema dia samy mpikatroka ara-politika manolo-tena hisian'ny fitondrana tsara tantana sy ny demokrasia ao Togo. Ny hisaintsaina fiainana mahafa-po sy malalaka ho an'ny mpiray tanindrazana aminy no tanjon'izy ireo. Nahatonga azy ireo hiditra tany am-ponja izany fanoloran-tenany izany. Navotsotra anefa i Fovi Katakou sy Folly Satchivi taorian'ny fanentanana sy fiantsoana ny famoahana azy ireo avy amin'ilay ONG teo amin'ny sehatra nasionaly, isam-paritra ary iraisam-pirenena . Na nisy sy marobe aza ireo antso natao dia mbola tavela any am-ponja hatrany i Jean-Paul Oumolou. Voampanga izy ho namporisika ny polisy, tamin'ny alalan’ ireo lahatsary , ho amin'ny fikomiana manohitra ny fitondran'i Faure Gnassingbé , filoham-pirenena Togoley hatramin'ny taona 2005. Vehivavy m panohitra sady mpikatroka nanohitra ny fitondran'i Faure Gnassingbé i Farida Nabourema . Izy no mpanorina ny hetsika « Faure Must Go » (Tsy Maintsy Miala ibFaure) , niantso ny fanoherana sivily ho tombontsoan'ny demokrasia ao Togo. Mponina tany Etazonia hatramin'ny faha-18 taonany, ary manohy miady amin'ny alalan’ ireo famoahany sy ny fanambaràny ho an'ny fiafaran'ny fotoana lavabe nitondran'i Gnassingbé. Please come witness change in #Togo . We are determined to bring down the oldest military regime in #Africa peacefully. Help us win our struggle by sharing the video of today’s protest. 50 years of Dictatorship is enough. #Fauremustgo #Togodebout pic.twitter.com/0HkBw10KPh — Farida Bemba Nabourema (@Farida_N) February 3, 2018 Miangavy anareo, tongava manatrika ny fiovàna ao #Togo. Tapa-kevitra izahay ny handrodana am-pilaminana ny fitondrana miaramila tranainy indrindra ao #Afrika. Ampio izahay handresy amin'ny tolonay amin'ny alalan'ny fizaràna ny lahatsarin'ny fihetsiketsehana anio. Ampy ny jadona 50 taona. #Fauremustgo #Togodebout Ao Afrika, tsy lanin'ny vavonin'ny governemanta ny fikatrohana izay manome tombony ny hetsika mivantana satria matetika dia mifanohitra amin'ny tombontsoa ara-toekarena sy ara-politika-dry zareo izany. Tsy maningana amin'izany i Togo.
https://mg.globalvoices.org/2023/02/27/162815/
Fanorisorenana nanjo ny vehivavy iray mpitsara lalao nandritra ny lalao baolina kitra iray, manasongadina ny fanamby atrehan'ireo vehivavy mpitsara lalao
2023-02-27T17:39:23
Unknown
Salima Mukansanga, Mpitsara Lalao Baolina kitra Iraisam-pirenena avy any Roandà. Izy no vehivavy voalohany nitsara ny Fiadiana ny Amboaran'i Afrika ary iray tamin'ireo vehivavy mpitsara telo voafantina hiatrika ny fiadiana ny Amboara Erantany an'ny FIFA tamin'ny 2022, Pikantsary avy amin'ny lahatsary youTube . Tranga iray vao haingana mikasika ny fanamparam-pahefana natao tamin'ny vehivavy mpitsara no nampisongadina ny fahasahirànana atrehan'ireo vehivavy ao anatin'ity asa anjakazakan'ny lehilahy ity, na teo aza ireo fivoarana  lehibe tato anatin'ny taona vitsivitsy. Tamin'ny 21 Janoary 2023, Salima Mukansanga , iray tamin'ireo vehivavy afrikàna mpitsara lalao baolina kitra, no niharan'ny herisetra ara-batana sy am-bava tao Roandà nandritra ny lalao baolina kitra nifanandrinan'i Kiyovu Sport sy Gasogi United. Manan-danja ao Roandà ny lalao baolina kitra ary be mpanaraka ny Ligin'ny Primus Nasionaly , izay misy ny roa tonta. Mukansanga no iray amin'ireo mpisava làlana amin'ny vehivavy mpitsara lalao baolina kitra nitàntana  fifanintsanana ho an'ny lehilahy. Tafiditra anatin'ny tantara izy nandritra ny fiadiana ny Amboara Erantany amin'ny lalao baolina kitra 2022 tao Qatar izy amin'ny maha-vehivavy Afrikana voalohany mpitsara lalao baolina kitra azy. Tany am-piandohan'ny Janoary 2022, izy no vehivavy voalohany nitsara ny fifaninanana kaontinantaly lehilahy nandritra ny Fiadiana ny Amboaran'i Afrika izay natao tany Kamerona. Ny fitantanana ny lalaon'ny ligy nasionaly eo an-toerana sy iraisam-pirenena dia nahatonga azy ho lasibatry ny mpankafy teo an-toerana, tahaka izay nitranga nandritra ny lalao nifanandrinan'ny Kiyovu Sport sy Gasogi United. Araka ny fampahalalam-baovao, nisy andiana mpankafy ny Kiyovu Sport nihiakiaka im-betsaka, nanaratsy an'i Mukansanga ho “mpivaro-tena”. Araka ny voalazan'ny Filohan'ny Federasionan'ny Lalao baolina kitra ao Rwanda (FERWAFA), Jules Karangwa, dia tsy maintsy niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana mba hiaro azy amin'ny fanafihana ara-batana nataon'ireo mpankafy taorian'ny lalao. Namoaka fanambarana teo amin'ny pejiny tamin'ny tambajotra sosialy ny Federasiona nanamelohany ny fihetsik'ireo mpankafy : 1/3 FERWAFA condemns unsporting behaviors displayed by @SCKiyovuSports fans during/after their game against Gasogi Utd at Bugesera Stadium on Matchday 16 of @PrimusLeague on 20.01.2023 whereby some fans were spotted directing abuses to the referee of the said match. — Rwanda FA (@FERWAFA) January 24, 2023 1/3 Melohin'ny FERWAFA ireo fihetsika mifanohitra amin'ny fanatanjahantena nataon'ireo mpankafy ny @SCKiyovuSports nandritra sy taorian'ny lalao nifanaovany tamin'i Gasogi Utd teo amin'ny kianjan'i Bugesera nandritra ny andro faha-16 n'ny @PrimusLeague tamin'ny 20.01.2023, izay nahatsinjovana mpankafy sasantsasany nanevateva ny mpitsara tamin'io lalao voalaza io. — Rwanda FA (@FERWAFA) 24 janvier 2023 Nanazava ny zava-bitan'ny mpitsara Afrikana nandritra ny taona vitsivitsy ireny fihetsika ireny. Tato ho ato, ireo Afrikana mpitsara [ fr] – lehilahy sy vehivavy – no nitantana ny lalao tamin'ny ambaratonga ambony indrindra. Nandritra ny Lalao fiadiana ny Amboara Erantany FIFA 2022 tamin'ny volana novambra dia nisy mpitsara enina mpihavy Afrikàna . Nisy koa vehivavy enina mpitsara, anisan'izany Stephanie Frappart [fr] avy ao Frantsa, Yamashita Yoshimi avy ao Japana, Neuza Back avy ao Brezila, Karen Diaz Medina avy ao Meksika ary Kathryn Nesbitt avy ao Etazonia – miaraka amin'i Mukansanga nameno ny faha-enina tamin'ireo ofisialy. Dicle Öz, vehivavy Tiorka, mpitsara lalao baolina kitra . Nampiasàna lisansa CC BY-SA 4.0 ilay sary an'i CeeGee. Tsy maningana ny tranga nanjo an'i Mukansanga tamin'ny lalao baolina kitra, lalao iray izay tena anjakana sy tantanin'ireo lehilahy. Ao Amerika Latina, dia mitovy tamin'izany ny trangan-javatra ho an'i Melany Bermejo , vehivavy mpitsara iray ao Meksika, izay niteny fa tamin'ny 2016, ny mpankafy ny lalao baolina kitra dia nanao fandranitana tamin'ny fomba maro taminy, anisan'izany ny herisetra ara-batana, ny ompa am-bava sy ny fanadalàna. Mpitsara mpanampy iray, Lixy Enriquez, niteny fa tokony hanao avo roa heny amin'ny ezaka nataon'ireo mpitsara lehilahy ireo mpitsara vehivavy. Tsy maintsy niaretany ny faniratsiran'ireo vehivavy hafa izay niteny taminy mba “hiverina any an-dakozia”. Tamin'ny 2016, nandrakitra anarana vehivavy mpitsara miisa 720 ny FIFA – 324 mpitsara tompon-toerana ary 396 mpitsara mpanampy – sady amin'ny sisin'ny kianja sy mpitsara mpanampy mijery lahatsary (VAR). Miaraka amin'ireo lalao tao Qatar niteraka ahiahy mikasika ny zon'ny lehilahy sy vehivavy, nitondra hafatra miabo ho an'i FIFA izy hahafahan'ireo vehivavy bebe kokoa hitsara ireo lalao tantanin'ny FIFA, anisan'izany ny fiadiana ny Amboara Erantany, sy ireo fifaninanana kaontinantaly toy ny fiadiana ny Amboaran'i Afrika, ny Amboara an'i Azia ary ny Copa  Libertadores . Munira Ramadan, Sodaney, vehivavy mpitsara mpisava làlana ao Afrika Raha manao jery todika ireo tantaran'ny lalao baolina kitra, Munira Ramadan , avy ao Sodàna, angamba no mety ho vehivavy voalohany nitsara ny lalao baoliona kitra rehefa avy nitsara ireo lalao tamin'ny ligy Sodaney an'ny lalao baolina kitra teo anelanelan'ny taona 1975 sy 1980. Na izany aza, tsy nankatoavina mihitsy hatramin'izay ny zava-bitany satria tsy mbola nahazo ny marika iraisam-pirenena avy amin'ny FIFA izy. Ramadan no vehivavy manana ny “voalohany” betsaka indrindra, anisan'izany ny fandraisana anjara tamin'ny fanatanjahantena an-kianjan'ny atletisma, fanipazana  kapila sy ny lomano. Niditra tao amin'ny ekipa nasionaly Sodaney mpilalao baskety ihany koa izy no sady efa mpitsara ihany koa. Izy no nanokatra ny làlana ho an'ireo vehivavy mpitsara tao Afrika sy manerantany. Tamin'ny 2019, mpitsara Sodaney telo mirahavavy no nanoratra ny tantara tamin'ny alalan'ny fitantanana ny lalao iray manasa-dalana tamin'ny Lalao Olaimpika nataon'i Alzeria sy Tchad izay natao tamin'ny Aprily 2019 . Fitsaràna voalohany vehivavy 100% tamin'ny Lalao Fiadiana ny Tompondakan'i Afrika Tamin'ny 2022, notendren'ny CAF ho mpikambana anatin'ny tarika mpitsara tsy ahitàna afa-tsy vehivavy i Mukansanga, niaraka tamin'i Carine Atemzabong avy ao Kamerona, sy Fatiha Jermoumi avy ao Maraoka, ary amin'ny VAR, Bouchra Karboubi, avy ao Maraoka ihany koa ho an'ny fiadiana ny Tompondakan'i Afrika izay natao tao Kamerona. Tamin'ny Novambra 2022, tonga tamina haavo iray vaovao ny fomba fanaon'ny FIFA tamin'ny fanendrena vehivavy hitsara ny lalao lehilahy tao Qatar rehefa sambany voafidy ireo vehivavy mba hitsara ny fiadiana ny Amboara Erantany. Pierluigi Collina , lehiben'ny vaomieran'ireo mpitsaran'i FIFA dia nanamarika fa na nomarihan'ny vahoaka aza ny hoe vehivavy izy ireo, dia tena niompana tanteraka tamin'ny maha-ôfisialy amin'ny lalao baolina kitra azy ireo ny nisafidianana an-dry zareo. Mendri-piderana ny ezaky ny FIFA handray vehivavy ho mpitsara. Ireo ligin'ny baolina kitra eo an-toerana sy isam-paritra, etsy andaniny, dia mahita hatrany fomba handraisana vehivavy mpitsara.
https://mg.globalvoices.org/2023/02/22/162591/
Fitsidihan'i Papa François tao RDC: Mizarazara ny hevitr'ireo Kôngôley momba ny fanambaràna nataony
2023-02-22T03:49:27
Unknown
Pikantsary teo amin'ny fantsona YouTube an'ny TV5 Monde. Nandritra ny fitsidihana episkopaly ny Repoblika Demokratika an'i kongo (RDC) tamin'ny 31 Janoary ka hatramin'ny 3 Febroary, ohatran'ny toa nolazain'ny Papa François ankolaka ny ady mitranga ao Atsinanan'ny firenena. Zakain'i RDC ny fifandonana ao Ituri sy Kivu-Avaratra, ao atsinanan'ny firenena amin'ny sisintany iraisany amin'ny Rwanda, efa ho roapolo taona mahery izao . Ny 20 Oktobra 2022 , nihanafàna ny toe-draharaha teo amin'ny manampahefana ao RDC sy ireo mpikomy M23 izay miampanga ny manampahefana Kôngôley ho tsy manaja ny fifanarahana fandriampahalemana, nosoniavina tamin'ny Desambra 2013 . Araka ny filazan'i Bruno Lemarquis, tompon'andraikitra ao amin'ny biraon'ny mpandrindra ny fanampiana noho ny maha-olona ao amin'ny Repoblika Demokratika an'i Kôngô (RDC), mampiantrano olona nafindra anatiny miisa 237 000 ireo faritany roa ireo. Raha toa efa manakaiky ny 54% amin'ireo olona nafindra ireo no mipetraka miaraka amin'ny fianakaviana mpampiantrano, an'arivony hafa kosa no hita mialokaloka any anatin'ireo sekoly, hopitaly, fiangonana ary toerana vonjimaika hafa. Ankizy maherin'ny 76 000 ihany koa no tapaka fianarana. Ny fanitsakitsahana ireo  fifanarahana natao tamin'ny taona 2013  dia mitarika ihany koa ny fahafatesana olona an-jatony , ary manakana ireo fifampiraharahana maro mikasika ny mety ho fiverenan'ny fandriampahalemana ao amin'io firenena io ao amin'ny faritry ny Grands Lacs . Ao anatin'izany toedraharaha henjana izany no nandraisan'i Kinshasa ny Papa François ho an'ny fitsidihana episkopaly tamin'ny 31 Janoary hatramin'ny 3 Febroary 2023, izay firenena katolika lehibe indrindra ao Afrika. Nandritra ny fandraisany fitenenana voalohany, nandefa hafatra politika ny Papa, nanandratra ny feony hanohitra an'ireo izay miafina any ambany aloka any sy mandrehitra an'ity ady izay naharitra ela loatra ity ka miteraka vokadratsiny mivantana amin'ny mponina, tahaka izay nolazainy ao anatin'ity lahatsary YouTube manaraka ity : “ (…) taorian'ny fanjanahantany ara-politika, dia nirongatra koa ny “fanjanahantany ara-toekarena” nanandevo. Ity firenena ity,  voaroba be mihitsy, dia tsy mahavita misitraka ny harena marobe ananany. Namonto rà ‘ireo diamondrany ny poizin'ny fitiavam-bola tafahoatra. Nefa mendrika  ny hohajaina sy hohenoina ity firenena sy tanibe ity. Mendrika omena toerana sy hihenoina. Esory eto RDC ny tànanareo, esory aty Afrika ny tànanareo ! Atsaharo ny fanemporana an'i Afrika. Tsy toeram-pitrandrahana natao hakana harena izy, na tany horobaina (…)” ny Papa François. Eny tokoa, firenena faharoa lehibe indrindra aty Afrika i RDC misy fanambanin'ny tany manankarena mineraly izay mampirongatra ny fitsiriritan'ireo mpitantana indostria maneran-tany. Nohamafisin'ilay mpandalina ny heloka bevava sady mpanao gazety mpanao fanadihadiana, Steve Wembi teo amin'ny kaontiny twitter, ny tenin'i Papa François. #RDC : « Mais ce pays et ce continent méritent d’être respectés et écoutés. Ils méritent espace et attention. Retirez vos mains de la RDC, retirez vos mains de l’Afrique! Cessez d’étouffer l’Afrique. Elle n’est pas une mine à exploiter, ni une terre à dévaliser (…)»Pape François pic.twitter.com/IvKFo0qIG6 — Steve Wembi (@wembi_steve) January 31, 2023 #RDC: «Nefa mendrika ny hohajaina sy hohenoina ity firenena sy tanibe ity. Mendrika omena toerana sy hihenoina. Esory eto RDC ny tànanareo, esory aty Afrika ny tànanareo ! Atsaharo ny fanemporana an'i Afrika. Tsy toeram-pitrandrahana natao hakana harena izy, na tany horobaina (…)” ny Papa François. pic.twitter.com/IvKFo0qIG6 Tsy mitovy hevitra ireo Kôngôley mikasika ny tenin'ny Papa Tsy niandry ela ny fanehoankevitry ny Kôngôley tao anaty tambajotra twitter. Ny sasany mankasitraka ny toerana noraisin'ny Papa François ary mino ny teniny. Araka ny lazain'i Mbuyi Elonga , jeôpôlitisiana, mpikaroka sy mpanadihady ara-politika, mpianatra manomana Master en Sciences Po sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena ao amin'ny Anjerimanontolon'i Louvain , dia mety hiresaka ankarihary amin'ny filohan'i Rwandais Paul Kagame , ny Papa. Eny tokoa fa nampangain'ny Filoha Félix Tsisekedi sy ny ampahany amin'ny vahoaka Kôngôley i Kagame ho m anohana ny fikomiana nataon'ny M23. Le Pape François s’adresse indirectement au dictateur @PaulKagame et je cite: «La RDC est le diamant de la création..    . La violence et la haine sont des sentiments anti-chrétiens.. ». RDF/M23 arrêtez vos massacres au Congo🇨🇩 Retirez votre armée et milice terroriste M23 de la #RDC . pic.twitter.com/gSQ9hkkAzM — Mbuyi ELONGA (Géopoliticienne) (@MbuyiItela_fmi) January 31, 2023 Miresaka ankolaka amin'ilay mpanao didy jadona @PaulKagame ny Papa François ary tanisaiko : “I RDC no diamondran'ny famoronana.” N Ny herisetra sy ny fankahalana dia fihetseham-po tsy kristianina..”. RDF/M23 atsaharo ny fandripahanareo ao Kôngô Esory ny tafika sy ny milisinareo mpampihorohoro M23 tsy ho ao #RDC . pic.twitter.com/gSQ9hkkAzM — Mbuyi ELONGA (Géopoliticienne) (@MbuyiItela_fmi) 31 Janoary 2023 Ny hafa mbola misalasala mikasika ny fikasana tsara ananan'ny Papa ary misafidy hoe aleo izy tsy hiteny fanoharana fa afaka mitanisa anarana, sahala amin'izay marihan'ity mpiserasera ity : Je m'attendais à un discours limpide et non énigmatiqu ou encore philosophique. Je serais content si le pape avait cité le chat par son nom ! — Trésor Ngando (@TresorNgando) January 31, 2023 Nanantena lahateny mazava aho fa tsy saro-pantarina na filozofika mihitsy aza. Ho faly aho raha toa ny Papa nanonona an'ilay saka tamin'ny anarany! Trésor Ngando (@TresorNgando) 31 Janoary 2023 Ny sasany sahala amin'i Nestor Mukendi, mpisolovava ao amin'ny Biraon'ny fampanoavana ao Kinshasa Gombe, dia mandeha lavitra kokoa amin'ny fanondroana ny hevitr'i Papa ho lahateny fampiasan'ireo mpanao politika “mpandàla fiandrianana” izay mpitari-bato mivilam-bava rehefa miresaka amin'ny vahoaka mba hanafenana ny tànan-manempotr'izy ireo sy mandroba ny tanibe. A qui s’adressent-ils? Un discours exenophobe utilisé par les politiciens ”souverainistes” pour masquer leurs mains qui etouffent et pillent le Continent, en l’espèce les Kivus mis en coupe reglée depuis 20 ans par les maï-maï, FDLR et officiers FARDC, et les politiciens locaux — nestor mukendi (@nestormukendi) January 31, 2023 Mitodika a min'iza izy ireo e? Lahateny iray ‘exenophobe’ fampiasan'ireo mpanao politika “mpandàla fiandrianana” izay mpitari-bato mivilam-bava rehefa miresaka amin'ny vahoaka mba hanafenana ny tànan-manempotr'izy ireo sy mandroba ny tanibe, eto amin'ity tranga ity dia i Kivus izay fehezin'ny maï-maï, FDLR sy ireo manampahefana FARDC, ary ireo mpanao politika eo an-toerana nandritra ny 20 taona — nestor mukendi (@nestormukendi) 31 Janoary 2023 Ahoana ny amin’ireo mpisehatra amin’ny fiainam-piarahamonina sy ara-politika eto amin'ny firenena? Raha nitafa tamin'ny Radio Okapi , onjampeo Kôngôley iray, dia toa nijanona ho matoky tena ireo mpisehatra sasany amin'ny fiainana sôsialy sy pôlitikan'ny firenena ary mihevitra fa ny fitsidihan'ny Papa dia hitondra fanovàna mahomby ao RDC, raha jerena ny fanambaran'izy ireo teo amin'ny onjam-peo . Claude Bafwafwa, mpisolovava avy amin'ny fampanoavan'i Kinshasa/Gombe, dia faly fa ny  Ray Masina no niangavy mba hampitsaharana ny fijalian'i RDC noho ny ataon'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy. “Nampitahain'ny Papa tamin'ny diamondra ny RDC. Rehefa mihiratra ny masoandro, dia tsy maintsy mamirapiratra izy ary mamirapiratra ho an'ny rehetra. Niantso ny governemanta izy mba hanakaiky ny mahantra.” Julienne Lusenge , filohan'ny ONG Sofepadi , nandray tsara ny zava-misy hoe nofaritan'ny Papa mazava tsara “fandripahana olona adino” ireo famonoana olona natao tany Atsinanan'i RDC. Araka ny voalazany, tokony hanakana an'i Kigali tsy hanohy  hisetrasetra amin'i RDC ny fianakaviambe iraisam-pirenena. “Tsy azon'ny vondrom-piarahamonina adinoina fa izy ireo no nangataka an'i Kôngô hanokatra ny làlana mba nahafahan'ireo Hery Demokratikan'ny Fanafahana an'i Rwanda ho Tonga taty aminay, izay tadiavin'i Kagame. Mila miteny aminy fotsiny isika mba ho any sy hifampiresaka amin'izy ireo mba hampisy fandriampahalemana. Amin'izay, tsy ho ao Kôngô intsony izy ireo ary tsy ho loza mitatao intsony.” Ho an'ny anjarany, ny minisitry ny Indostria sy ny governora ao Kivu Avaratra, faritra manankarena amin'ny harena ankibon'ny tany izay amaharan'ny vondrona M23, Julien Paluku , teo amin'ny fandraisampeon'ny Radio Okapi , dia nangataka ny Papa François mba hampiantso ireo izay mamafy fahafatesana sy faharavana ao antsinanan'ny firenena. “Enga anie ny Ray Masina mba hiantso ireo rehetra mamafy faharavana sy fahafatesana eto RDC mba hitsahatra.” Re hatrany Vatican ny feon'ny vahoaka Kôngôley, ny fantsona andalovan'ny hafatry ny fijaliana ho re manerana izao tontolo izao”. Araka izany, toa na dia niampanga ny herisetra amin'ny ankapobeny aza ny Papa, dia nandiso fanantenana ny ampahany tamin'ireo Kôngôley sasany izy tamin'ny nijanonany fotsiny teo amin'ny sehatra diplomatika madiorano.
https://mg.globalvoices.org/2023/02/21/162616/
Lahatsary miparitaka mampiseho ireo voalaza ho fanitsakitsahana ny zon'olombelona nataon'ny miaramila tao Cabo Delgado, Mozambika
2023-02-21T08:20:34
Unknown
Tetezana sisintany ao Cabo Delgado, avaratr'i Mozambika, 4 Aogositra 2009. Sary avy amin'i F. Mira tao amin'ny CC BY-SA 2.0. Tamin'ny 12 Janoary 2023, gaga tamin'ny fizarana lahatsary iray ny tambajotra sosialy tao Mozambika, izay mampiseho ny fandoroana faty nataon'ireo miaramila heverina ho miady amin’ny fampihorohoroana any avaratry ny firenena, Cabo Delgado. Mampiseho olona manao fanamiana miaramila ity horonantsary ity mitondra sainam-pirenena Afrikana Tatsimo manipy faty ao anaty afo. Heverina ho mpampihorohoro nosamborin'ny miaramila babo tamin'ny ady araka ny resaka re tao amin'ny lahatsary ireo vata-mangatsiaka ireo. Fotoana fohy taorian'izay, niteraka fanehoan-kevitra maro ilay horonantsary , indrindra ny fanamelohana ny fahitana fanaovana fihetsika toy izany, ary koa ny hisarihana ny saina ny amin’ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona goavana izay natao hatramin'ny niandohan'ny ady tao Cabo Delgado. Ho an'ny Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Foiben’ny Demaokrasia sy ny Fampandrosoana (CDD), Adriano Nuvunga, ireo sary no ampahany kely monja mampiseho ny fanitsakitsahana lehibe kokoa ny zon'olombelona sy ny fihoaram-pefy ataon'ireo miaramila vahiny ao Cabo Delgado. Aquela é uma atitude dos esquadrões da morte, queimar corpos. Há uma lei própria que regula a atuação de tropas em situação de conflito, particularmente quando são forças internacionais. Izany no toe-tsain’ireo andian’olona mpamono ho faty, mandoro faty. Misy lalàna manokana mifehy ny fihetsiky ny miaramila amin'ny toe-javatra ahitana fifandonana, indrindra rehefa hery iraisam-pirenena izy ireo. Manao ahoana ny toe-draharaha ao Cabo Delgado? Nanomboka tamin'ny volana oktobra 2017, nahitana fifandirana mitam-piadiana tao Mozambika ao amin'ny faritany avaratra [mg] ao Cabo Delgado. Fanazavana maro isan-karazany no nomena ho antony, toy ny olana ara-pivavahana na ny fahantran'ny tanora, saingy mbola tsy fantatra ny tena antony amin'ny ankapobeny. Na dia eo aza ny fiampangana fa ny Fanjakana Islamika no ao ambadiky ny fanafihana ary mikasa ny hibodo ny faritra famokarana etona ao Mozambika, dia mbola tsy fantatra na ireo nahavanon-doza na ny niandohan'ny herisetra. Hatramin'ny nanombohan'ity fifandonana ity, tombanana ho 3.000 ny olona maty ary miisa 784.000 no nafindra toerana. araka ny Vaomiera Avon'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana. Nitatitra mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona atao amin'ny mponina ao Cabo Delgado ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona. Vao haingana , nanameloka ny Human Rights Watch fa samy nanitsakitsaka ny zon'olombelona tamin'ny fomba feno habibiana ny tafi-panjakana sy ny mpikomy Al Shabab. Voampanga ho nanao heloka bevava ireo hery roa tonta ireo, anisan’izany ny famonoana olona, ​​ny herisetra ara-nofo, ary ny famotehana fananana. Araka ny Amnesty International, tamin'ny taona 2021, mampijaly ireo olona tokony harovan'izy ireo ny mpitandro ny filaminana ao Mozambika tamin'ny alalan'ny fampitahorana, fandrobana, fampijaliana, fampanjavonana an-keriny, ary famonoana ivelan'ny fitsarana. Matetika tsy nanavaka ny lasibatra sivily sy miaramila ny Vondrona Dyck Advisory, orinasan'ny milisy tsy miankina nanao fifanekena tamin'ny governemanta ho hery miasa haingana, rehefa nandatsaka baomba sy nitifitra avy eny amin'ny angidimby izy ireo. Ankoatra ny fanohanana omen'ny firenena Afrikana, dia nanofana miaramila avy amin'ny tafika Mozambikana ihany koa i Portiogaly sy ireo firenena hafa ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Nitondra fanavotana sy fandriampahalemana miharihary tao Cabo Delgado izany fanohanana izany, na dia mbola mitohy aza ny fifandonana any amin'ny faritra sasany ao amin'ny faritany. Antso hisian'ny rariny Nalahelo tamin’ny habibiana tao amin'ny lahatsary, ary nitaky ny hanamelohana ireo meloka ny filohan'ny Komitin’ny Zon’Olombelona ao amin’ny Fikambanan’ny Mpisolovava Mozambikana, Feroza Zacarias: Aquilo é uma desconsideração dos direitos humanos. Um olhar de normalização que norteia o nosso Estado. Tsy fanajana ny zon’olombelona izany. Miaro ny fanaovana ho ara-dalàna izay mitarika ny fanjakantsika. Ho an'ny Amnesty International (AI), ohatra “mahatsiravina” amin'ny zava-mitranga amin'ny “ady noadinoina” mitranga ao amin'ity faritany any avaratr'i Mozambika ity ireo sary ireo, hoy Tigere Chagutah, solontenan'ny fikambanana ho an'ny faritra atsinanana sy atsimon'i Afrika. Hoy i Chagutah hoe: A queima de corpos por soldados é deplorável e provavelmente uma violação do direito humanitário internacional, que proíbe a mutilação de cadáveres e exige que os mortos sejam tratados com respeito. Mampalahelo ny fandoroana faty ataon'ny miaramila ary inoana fa fanitsakitsahana ny lalàna iraisampirenena momba ny maha-olona, izay mandrara ny fanapotehana faty ary mitaky ny hanajana ny maty. Etsy ankilany, nilaza ny filoha Namibiana Hage Geingob fa tsy mbola afaka manameloka ny fihetsika ny fikambanana satria efa mandeha ny famotorana mba hanamarinana ny fiampangana. Geingob ihany koa no filohan'ny vondrona SADC, izay nanoritsoritra ilay lahatsary ho mampanahy’ ary nampanantena fa hisy ny ‘fandraisana andraikitra’ rehefa vita ny fanadihadiana, nefa tsy nilaza izay izay zavatra tena hatao izy. Ho setrin'izany, nilaza i Zenaida Machado, ao amin'ny Human Rights Watch, fa tokony hanaja ny zon'olombelona ao amin'ny faritra ny miaramila. We hope the read the report soon. You should also instruct all soldiers on the ground in Cabo Delgado to act accordingly to the law and respect human rights. Make it very clear to them that acts like the one on that horrific video, will not be tolerated. https://t.co/yvAwhBMDq8 — Zenaida Machado (@zenaidamz) January 12, 2023 Manantena izahay fa hamaky ny tatitra tsy ho ela. Tokony hanome baiko ny miaramila rehetra eny an-kianja ao Cabo Delgado koa ianareo mba hanao zavatra mifanaraka amin'ny lalàna sy hanaja ny zon'olombelona. Ataovy mazava tsara amin'izy ireo fa tsy azo leferina ny fihetsika tahaka ilay ao amin'io horonantsary mampihoron-koditra io.
https://mg.globalvoices.org/2023/02/16/162370/
Melohin'ireo firenena Afrikana miteny paortiogey ny famelezana ny demaokrasia any Brezila
2023-02-16T04:40:41
Unknown
Mitovy teny ifampiresahana, mihetsika hanohana ny filoha voafidy any Brezila ary manameloka ireo fanafihana atao amin'ny paikam-pifidianana sy ny andry telon'ny firenena. Sary: Giovana Fleck/Global Voices Niteraka fanamelohana avy amin'ny mpitondra maro ao Afrika mpiteny paortiogey ny fanafihana vao haingana tamin'ny toerana telo mihazona ny fahefana ao Brezila ho fanoherana ny famindram-pahefana am-pilaminana, saingy niteraka adihevitra momba ny fanamby demaokratikan'ireo firenena ireo ihany koa izany. Ho voamarika mandrakizay ho andro mahamenatra eo amin'ny demaokrasia breziliana ny 8 janoary 2023. Notarihin'ireo mpanohana ny filoha teo aloha Jair Bolsonaro ny fanafihana ireo fahefana telo (Mpitsara, Mpanatanteraka ary Mpanao Lalàna), noho izy ireo tsy nanaiky ny voka-pifidianana tamin'ny taona 2022, ka nanapa-kevitra ny hanafika ireo andrim-panjakana miantoka ny fampandehanana ara-demokratika ao Brezila. Raha ny amin'ireo firenena afrikana mpiteny paortiogey indray, niteraka fanehoan-kevitra mifanipaka ny hetsika, avy amin'ny mpitondra politika sy ny olom-pirenena tsotra. Ny ankamaroan'izy ireo dia fanehoan-kevitra manameloka ny hetsika manohitra ny demaokrasia ao Brezila, araka ny nasongadin ‘ny filohan'i Angola, João Lourenço, tamin'ny alalan'ny fanambaràna navoakan'ny Fiadidiana Angoley tamin'ny naoty ofisialy: Consideramos estas manifestações lamentáveis e reveladoras de um elevado grau de intolerância não compatível com as regras do jogo democrático. Hitanay fa mahonena ireo fihetsiketsehana ireo ary manondro tsy-fandeferana avo tsy mifanentana amin'ny fitsipiky ny lalao demaokratika. Misy firaisankina mitovy amin'izany avy amin'ny firenena iray hafa izay naman'i Brezila, amin'ity raharaha ity, dia i Cape Verde, izay nanambara tamin'ny alàlan'ny filohany hoe: Condeno veementemente os atos violentos antidemocráticos e manifesto a minha solidariedade e apoio ao Presidente Lula da Silva e às autoridades legítimas da República Federativa do Brasil. Manameloka mafy ny herisetra manohitra ny demaokrasia aho ary maneho ny firaisankinako sy ny fanohanako ny filoha Lula da Silva sy ny manampahefana ara-dalàna ao amin'ny Repoblika Federativan'i Brezila. Avy any Mozambika, naneho hevitra ny filoha Filipe Nyusi nanameloka ny hetsika mamely ny demaokrasia. Nohamafisiny ihany koa ny tokony hiverenan'ny firenena ho amin'ny ara-dalàna faran'izay haingana: Amin'ny anaran'ny Vahoaka, ny Governemantan'ny Repoblikan'i Mozambika ary amin'ny anarako manokana ho anehoako ny firaisankinay feno amin'ny vahoaka rahalahy ao Brezila, maneho amin-kitsim-po ny faniriana mba ho resy haingana ny fotoan'ny tafiotra, ahafahan'ny firenena mitozo amin'ny tetikasany fampandrosoana sy ny fiaraha-miaina mirindra na anatiny na eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Arahabainay ny fepetra mafonja noraisin'ny Governemantanao mba hampitsaharana ity fanafihana ny lamina demaokratika ity ary matoky feno ny tanjaka sy ny fijoroan'ireo andrim-panjakana demaokratika ao Brezila sy ny fikirizan'ny vahoakany izahay, mba hivoahan'ny demokrasia ho mpandresy amin'ny ny fiatrehana io fanamby io. Niitatra amin-javatra hafa anefa ireo fanehoan-kevitra tamin'ny rantin'ny Filoha Mozambikana, teo amin'ny mpikirakira aterineto sasany, indrindra tao amin'ny Facebook, mihaika ny zava-misy amin'izao fotoana ao Mozambika. Júlio Mutisse, mpikambana politika ao amin'ny antoko Frelimo nilaza hoe: Ary eto an-toerana tsy tezitra amin'ny fanitsakitsahana ny fitsipika demaokratika ny Kamarady Filoha raha ny FRELIMO ihany no afaka manao fihetsiketsehana satria lavina avokoa ny an'ny hafa rehetra (na dia misy soritra fihetsiketsehana am-pilaminana sy antony azo takarina aza [sic]). Tsy maintsy mpiantoka ny demaokrasia eto ianao ‘Son Excellence’ ary miaro izany amin'ny fomba rehetra. Tsy mamely amiko izany hoe tezitra amin'ny trangan-javatra hafa any lavitra any ianao nefa mangina amin'ny fanafihana [mamely] ny demaokrasia eto. Ianao rahateo no Filohanay sady mpiantoka ny Lalàmpanorenana, sa tsy izany? Arahabaina Andriamatoa Filoha fa tsara ny teninao! Maninona raha mampiasa izany kabary izany amin'ny lahateninao amin'ny firenena Mozambikana ianao? Andriamatoa Filoha, misy ohabolana manao hoe: “Raha may ny volombavan'ny namanao dia atsobohy ao ny anao”. Manoro hevitra anao aho fa raha any Brezila izany androany, amin'ny manaraka mety ho Mozambika,  ary tsy mandray fepetra hisorohana izany ianao! Mitady valiny ny vahoaka breziliana. Tsy mitondra vahoaka ny filoha mitantana amin’ny tsy rariny fa mitondra entana. Velona Andriamanitra ary ho velona mandrakizay. C'est avec préoccupation que nous suivons les événements se passant à Brasilia. Condamnant l'usage de la violence contre la Présidence du #Bresil , le Congrès et la Cour Suprême, nous en appelons au respect de la démocratie et des institutions qui symbolisent la démocratie. — Umaro Sissoco Embaló (@USEmbalo) January 8, 2023 Manaraka amimpanahiana ny zava-nitranga tany Brasilia izahay. Manameloka ny fampiasana herisetra atao amin'ny Fiadidian'i #Brazil, ny Kongresy ary ny Fitsarana Tampony, miantso ny fanajana ny demaokrasia sy ireo andrim-panjakana maneho ny demaokrasia izahay.
https://mg.globalvoices.org/2023/02/15/162559/
Tontolon'ny mozika Tôgôley miditra anaty fanatontoloana, nefa tsy manary ny fototra niaviany
2023-02-15T12:12:37
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube an'i King Mensah . Tôgô dia toerana iray ifanaretsahan'ireo gadona mozika ary koa zavamaneno nentindrazany tokamiavaka marobe.  Manankarena fitenimparitra maro efa mihoatra ny dimampolo isa ao an-toerana ihany koa ilay firenena, izay manome tontolona mozika maroloko mendrika ny hofantarina misimisy kokoa . Efa nizaka hatry ny ela ny dindon'ny mozikan'ireo firenena hafa ao Afrika Andrefana, toa an'i Côte d'Ivoire sy Nizerià, fa tao ihany koa ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, Frantsa, ary Etazonia, saingy tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 80 sy ny fiandohan'ny andian-taona 90 tany dia nanomboka tena nitrandraka izay mampiavaka azy amin'ny lafiny mozika ilay firenena. Na izany aza, ireo artista toa an-dry Bella Bellow, izay teraka tamin'ny 1 Janoary 1945 tao Tsévié, any atsimon'i Tôgô, ary nodimandry teo amin'ny faha-27 taonany monja, dia efa nametraka sahady ny vatofototry ny mozika tôgôley. Ramatoa io no iray amin'ireo Afrikana vitsy tamin'ny fotoan'androny nihira tao amin'ny lampihazon'ny Olympia , ilay malaza be ao Parisy. Ny Aprily 1966, nandray anjara izy tamin'ilay andiany voalohan'ny Fetibe Erantany ho an'ny Zavakanton'ny Mainty Hoditra natao tao Dakar, Senegaly. Nahavita ihany koa izy fitetezana an'i Eorôpa, ny tao Antilles, sy nandray anjara tamin'ilay Fetiben'ny Hira Malaza tao Rio de Janeiro ao Brezila. Tamin'ny 1969, nandrakitra ny rakikirany voalohany izy: “ Rockia “. Ny lova napetrak'i Bellow dia notohizan'ireo artista toa an'i Julie Akofa Akoussah , Afia Mala , Jimi Hope Fifi Rafiatou , sy King Mensah Peter Solo , izay namorona ny fiangaly mozika Vaudou Game tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 1990s. Amin'izao fotoana izao ireo artista fantadaza erantany ireo dia tafiditra ao anatin'ny tantaran'ny mozika Tôgô ley . Mifafy ary hamafisin'ny hiran-dry zareo ny fitiavana ananan-dry zareo manoloana ireo kolontsaina samihafa, ary ambarany ho ren-tany ho ren-danitra fa mifamatotra amin'ny razambeny ry zareo . Araka izany dia nataon'izy ireo ho sahaza ny tanandehibe ny marika Tôgô, tamin'ny alàlan'ny fanafàrana ireo mozika avy amin'ny fombandrazana sy ny kolontsain'ilay firenena. Ampiroboroboin-dry zareo ihany koa ny lovan'ny fiteny ao amin'ny fireneny, amin'ny alalan'ireo fiteny toy ny Ewe sy ny Kabyè. Ewe dia fiteny avy any atsimon'i Ghana, Tôgô, ary  Benin, ary ny fiteny Kabyè dia an'ireo ao avaratr'i Tôgô sy ilay artista, Wilfried A . Ny mozika iangalian'i Afia Mala no vavolombelon'io harena mozikaly miampita sisintany io: Andian-taranaka vaovao miangaly mozika : fifangaroan'ny an-tanandehibe sy ny erantany Nanintona kokoa ireo andian-taranaka taty aoriana ireo mozika avy any amin'ny firenena hafa, ao anatina fanafangaroana mozikaly goavana. Ny fiantraikan'ireny mozika nafarana avy any ivelany ireny no nitarika ho amin'ny fahaterahan'ireo artista sy vondrona misafidy ny gadona somary an-tanandehibe kokoa: rap, Rn’B. Nanomboka tamin'ny 2005 izy io dia nandray anjara betsaka tamin'ny tena fahaterahana niaraka tamina anarana toy ny Ali-Jezz, Wedy, Small Poppy, Black Joe, Eric MC, Omar B, ny tarika Wezepe, The Seeds, 100Papiers, Maniac Team, Phenix, ary Toofan izay nitondra avo ny fanevan'ny mozikan'ny firenen-dry zareo. Avy eo koa ny faneva dia noraisin'ilay artista manana sanganasa misandrahaka amin-javatra maro, Fofo Skarfo avy ao amin'ny tarika La Source , Mic Flammez , Prince Mo ary ry Oneil Biatti , King’s izay nanohy ihany koa zotra roa mifanindran-dàlana tao amin'ny tafika an-dranomasina amerikàna. Anisan'io andian-taranaka io ilay artista Prince Mo izay manafangaro gadona nentindrazana amin'ny mozika an-tanandehibe: Ireto farany indray nony avy eo no namela ny toerana ho an'ny andian-taranaka iray tanora kokoa izay ahitàna ireo artista toa an’-dry Almok , Pikaluz , Santrinos Raphael , J Gado, Lauraa, Ghettovi izay mampientana mpankafy sy mpanjohy an'arivony maro. Tami'ny 2022, lasa hira nalaza araka izany ny Ghetto Love, hira iray an'ireo artista Lauraa sy Ghettovi: Tena hita betsaka ihany koa ao Tôgô ireo gadona mozikaly hafa. Na dia manam-piaviana avy any Kôngô aza ny gadona rumba , mba nanana ireo anarana avy aminy koa ao anatin'ity sokajina mozika ity i Tôgô , toa an'i Alain Vierge, Gilberto. Ireto farany ireto dia naka ny aingam-panahiny avy amin'ireo artista sy tarika kôngôley tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 90s. Nampamirapiratra ny mozika “rumba” tao Tôgô izy ireo talohan'ny namelany ny toerana ho an'ireo tanora, ka isan'izany ny tarika Zedeka izay miezaka ny hametraka dian-tànana tôgôley sy maoderina amin'ny rumba kôngôley. Ao anatin'ny sehatry ny mozika gospel , toy ireo artista nizeriàna sy ganeàna, dia manao ezaka ihany koa i Tôgô. Marobe ireo anarana hita mampirehareha ilay firenena, toy ny an'i Mawuto Tetey, Noelie Elykem, Gospel Renya , Abitor Makafui, John sy Gifty Aziano. Ny mozika tôgôley manaraka ny vanim-potoana ankehitriny dia henoin'ireo olona manana ny maha-izy azy sy toavin-teny, toa an'i Victoire Dogbe , praiminisitr'i Togo izay matetika mandefa ranty sy fampilaharana, izay averin'ireo media raisina indray avy eo mba ho anatin'ny “lahakirany” (playlist) ahitàna ireo artista tôgôley. Un plaisir de partager avec vous ces 20 morceaux de ma playlist TOGO que j’ai pris beaucoup de plaisir à écouter cette année. Merci à cette nouvelle génération d’artistes pour le travail de qualité qu’elle s’emploie à accomplir. Nous sommes fiers de vous. Keep up the great work! pic.twitter.com/vnhX5LyB7a — Victoire Dogbe (@DogbeVictoire) January 1, 2022 Fahafinaretana ny mizara aminareo ireto hira 20 ireto ato anatin'ny lahakirako TOGO, izay tena ahazoako fafiny be tokoa ny nihaino azy tamin'ity taona ity. Isaorana ity andian-taranaka artista vaovao ity noho ireo asa tsara kalitao ezahany ho tontosaina. Reharehanay ianareo. Tohizo ny asa goavana zalahy a ! pic.twitter.com/vnhX5LyB7a Ny fifangaroan'ny mozika nentindrazana sy ny maoderina dia efa lasa ampahany tsy afaka misaraka intsony amin'ny maripamantarana mozikaly tôgôley izay lasa miha-fantatra manerana ny firenena sy erantany. Jereo etsy ambany ny lahakira iray notsongaina tamin'ny mozika tôgôley ary tsidiho ny kaonty Spotify an'ny Global Voices mba hahazoanao mozika maromaro kokoa avy amin'ny tanibe Afrika sy any an-kafa
https://mg.globalvoices.org/2023/02/21/162813/
Ao Nizera, mihoatra ny antsasa-manilan'ireo ankizy no tsy manana sora-piankohonana
2023-02-21T06:26:14
Unknown
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Tv5 Monde Marobe ireo antony azo ambara ho misakantsakana ny fandrosoana mankany amin'io fikarakarana ara-panjakàna io: ny tsy fahafantarana ireo dingana atao hahazoana ilay taratasy, ny tsy firaharahian'ireo ray sy reny niteraka amin'ny fanaovana fanambarana fahaterahana. Araka ny fanazavàn'i Ibrahim Malangoni,  tale nasiônaly misahana ny sora-piankohonana ao Niger teo amin'ny fandraisampeon'ny Tv5monde Info: Tsy tonga dia misoratra izany aloha ny vahoaka raha vao misy trangam-pahaterahana miseho ao anatin'ny fianakaviany. Miandry rehefa misy ilàna izany foana ry zareo. Ohatra, fampidirana an-tsekoly, raharaham-pitsaràna, na raha tsy misy filàna hafa tsapany noho ny trangan-javatra hafa eo amin'ny fiainany, hangataka vatsim-pianarana na hanokatra kaonty any amin'ny banky, araka izany dia amin'izay fotoana izay ny olona vao tonga saina hoe tsy maintsy ataon-dry zareo ny filazam-pahaterahana, nefa zavatra efa tokony ho nataony tany aloha be tany fony izy mbola maimaimpoana. Na izany aza, mitana anjara toerana lehibe tsy hitan'ny vahoaka ny soa tokony hositrahany ihany koa ny fihisarana ara-pitantànana. Tsy dia misy solotenam-panjakana any amin'ireo faritra lavitra andriana. Ankoatra izay, tsy ananan'ireo mponina any amin'ireny vohitra ireny ny vola hahafany mandeha lavitra manatona tanandehibe mba hirakaraka ireo antontan-taratasin-janany. Ilay tranonkala maraokàna Le360 no maneho ny toedraharaha miaraka amina ohatra iray mivaingana: Ny Fanampin'anaran'izy ireo fotsiny no ahafantarana ny fisian'i Nadia Salou […] sy ny rahavaviny Zeneba, 9 taona, ary i Abdoulkarim kely, 4 taona […]. Ny renin-dry zareo, Aïchata Hassan, avy amina vohitra ambanivohitra kely iray ao Alzou, any amin'ny faritra lavitra ao Tillabéri (andrefana), dia niteraka tany an-trano ary tsy nisy na iray aza olom-panjakana afaka nanoratra ireo fahaterahana ho ao anaty rejisitra. Enimpolo andro no omena azy handehanana manao filazana fahaterahana ho an'ny zanany tsirairay avy. Saingy noho ny tsy fananany afa-tsy vola kely, ny fahalaviran'ny tanandehibe sy ny saram-pitaterana no nanakana azy tsy hahatontosa izany. Ary indrindra indrindra, « tsy dia misy ilàna azy loatra »  ao am-bohitra io sombin-taratasy io, ny sora-piankohonana. Ao anatin'io lahatsoratra io ihany, mitaraina i  Idrissa Illiassou, mpanolotsaina ara-panabeazana, fa : Marobe amin'ireo ankizy ao an-tsekoly no tafiditra ao anatin'io toedraharaha io. Ny tanora tsy manana sora-piankohonana, dia ho olon-dehibe tsy manana ny taratasy maha-izy azy any aoriana, ho voahilika izy ireny. Betsaka ireo tetikasa natomboka mba hanatsarana ny toedraharaha Efa ho dimy taona mahery, marobe ireo hetsika santatra isankarazany natomboka tao amin'ny firenena mba hanamaivanana io olana goavana io. Nampitomboin'ireo rafitra sy fikambanana iraisam-pirenena ireo fitsarana mitety vohitra (mandritra ireny fotoana ireny dia misy fanomezana kopia  eny amin'ny toerana onenan'ilay vondrom-piarahamonina ), hetsika fampahafantarana,  fanomezana torohay, fanisàhana ilay sehatra mba hiditra amin'ny nomerika, fanentanana iarahana amin'ireo ONG eo an-toerana. Izany ohatra no ataon'ny ONG Norwegian Refugee Council (NRC) araka ny ambaran'ity ranty ao amin'ny kaontiny twitter ity. “Si vous voulez vous déplacer, vous devez avoir ce document. Quand j'aurai mon acte de naissance, je pourrai rendre visite à mon oncle à Niamey.” -Fati ​ ​Au #Niger nous assistons les personnes déplacées à obtenir des documents civils tels que des actes de naissance. — NRC Central and West Africa (@NRC_CWA) December 22, 2021 “Raha te-hivezivezy ianao dia tsy maintsy manana io taratasy io. Rehefa manana ny kopiako aho,  ho afaka mitsidika ny dadatoako any Niamey.” -Fati.  Ao #Nizera , ampianay ireo olona nafindra toerana mba hahazo ireo antontan-taratasy momba azy, toy ny kopia nahaterahany, pic.twitter.com/X0XYFisdMW — NRC Central and West Africa (@NRC_CWA) Jan Egeland , sekretera jeneralin'ny NRC no manipika ao anatin'ity lahatsarin'ny Tv5monde Info ity fa: “Miaraka amina fampiasambola kely monja iarahan'ny fanjakana amin'ireo mpanohana, azonao atao ny manome fanantenana ho an'ireo ankizilahy sy ankizivavy ao amin'io firenena tanora indrindra eto an-tany io”. Ny Danish Refugee Council (DRC),  ONG iray hafa mikarakara ireo olona nafindra toerana sy nianjadian'ny fifandonana tao Afrika, dia nanao asa mitovy amin'izany teny an-kianja, niarahany tamin'ireo rafitra ao an-toerana. Tamin'ny  Febroary 2022, nanampy tamin'ny fanomezana kopia fahaterahana niisa 500 ilay fikambanana, araka ny fanazavana omen'ity ranty tao amin'ny Twitter ity. Projet SHIFT @DanishMFA : le partenaire AREN a mené des activités de recensement afin d’établir 500 actes de naissances pour des personnes déplacées et hôtes dans 2 communes au #Niger , qui récupéreront 2 copies de leur acte de naissance prochainement! 🇳🇪 #ICLA #documentationcivile pic.twitter.com/IqCeQHJo1e — DRC West Africa, Sahel & North Africa (@drcwestafrica) February 3, 2022 Ny tetikasa @DanishMFA dia nanao hetsika fanisàna an'ireo olona nafindra toerana sy mipetraka ao amin'ny kaominina 2 ao #Nizera mba hahafahana manao kopia fahaterahana miisa 500, izay tsy ho ela dia azon'izy ireo raisina!🇳🇪 #ICLA #documentationcivile pic.twitter.com/IqCeQHJo1e — DRC West Africa, Sahel & North Africa (@drcwestafrica) Nitondra ny anjarany koa ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) ho fanampiana an'i Nizera hiatrehana io fanamby io. Tamin'ny 2020, natombony ny fandaharanasa fitaratra iray tao amin'ny faritr'i Zinder , any afovoany-atsinanan'ny firenena, araka ny fangatahana nataon'i Nizera, izay nahafahana nanoratra olona efa nihoatra ny  7 300 , izay ankizy ny 90% tamin'izany. Saray Lawali, 40 taona, iray tamin'ireo mpisitraka ilay fandaharanasa fitaratra natomboky ny OIF, no mahatsiahy fa nitera-pahavoazana ho azy ny tsy nananany kopia nahaterahana : « Rehefa tsy manana taratasy momba anao ianao dia tsy afaka mivezivezy an-kalalahana eto amin'ny firenena no sady, noho ireny antony  ireny ihany, tsy afaka mahita asa ianao. » Ny sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny fampiroboroboana ny zon'ny ankizy ao Nizera, UNICEF Nizera , ihany koa dia nanao hetsika nitondra fihatsaràna kely tamin'ny toedraharaha, araka ny fijoroana vavolombelona ao anatin'ity ranty Twitter ity. Au #Niger , 6 enfants sur 10 ont un acte de naissance. Le système de l’état civil bénéficie de l’appui de l’ @dueniger depuis 2012. Cet appui a permis une amélioration dans la gestion du système de l’état civil, la déclaration des faits de l’état civil et la délivrance des actes. pic.twitter.com/o1vkFiDtfP — UNICEF Niger (@Unicefniger) October 12, 2022 Ao Nizera, ankizy 6 amin'ny folo no manana sora-piankohonana. Nanomboka tamin'ny 2012, nahazo fanohanana avy amin'ny @dueniger ny sampan-draharaha mpikarakara sora-piankohonana. Nahafahana nanatsara ny rafitra fikarakarakana sora-piankohonana, ny firaketana izay zava-pitranga eo anivon'ny ankohonana sy ny fanomezana kopia io fanohanana io. pic.twitter.com/o1vkFiDtfP — UNICEF Niger (@Unicefniger) Ny tena fanamby : ny fampidirana angondrakitra ho anaty solosaina Amin'izao vaninandron'ny nomerika izao, tsy mbola tafiditra ho isan'ny zava-mahazatra ao Nizera ny fitahirizana angondrakitra. Ankoatry ny toejavatra manahirana eo amin'ny sehatry ny firaketana ireo ankizy hatrany am-pahaterahana, sarotra ihany koa ao amin'ilay firenena ny mahazo ireo antontan-taratasy efa vonona sy afaka jerena ety an-tambajotra. Mbola tena olana be ihany koa ny resaka aterineto ao amin'ny firenena, izay manana taham-pidirana 22,4% tamin'ny fiandohan'ny 2023. Tamin'ny 2021, niaraka tamin'ny fanohanan'ny UNICEF Nizera sy ny Vondrona Eorôpeàna, Natomboky ny governemantan'i Nizera ny tetikasa iray hamadihana ho nomerika ny rafitra fikarakarana sora-piankohonana mba hahafahana mampifanaraka ny pôlitika amin'izay angondrakitra voatahiry. Nampiroboroboina io drafitra io mba hahafahana manampy amin'ny fandaminana ireo tolotra sy tinady, ohatra, ho an'ireo tolotra sôsialy sy ny fanarahamaso ny momba ireo ankizy ao amin'ny firenena. Saingy na izany aza dia mbola miankina be amin'ny fivoaran'ny fahafahana miditra amin'ny aterineto. Ao anatin'ity lahatsarin'ny Tv5Monde Info ity, Ibrahim Malangoni, tale nasiônalin'ny firaketana sora-piankohonana ao Nizera milaza fa: Amin'izao fotoana izao , ny tahan'ny firaketana  ireo zaza eo am-pahaterahana ao anatin'ilay fetra 60 andro dia 60%. Efatra amin'ny ankizy folo araka izany no tsy hitan'ny fanjakana. Saingy efa taha miavaka io satria, tsy ela akory izay, tamin'ny 2007, zara raha nahita  30% isika. Tena zavadehibe no sady ilaina io fivoarana io, indrindra fa hoe ao Nizera no ahitana ny iray amin'ireo taha ambony indrindra eto an-tany amin'ny resaka fitomboan'ny mponina , 3.2%, mifamatotra mivantana amin'ilay taham-pahaterahana zaza 6,2 isaky ny reny, araka ny fanadihadiana nasiônaly momba ny fahaterahana sy fahafatesan'ny zaza latsaka ny dimy taona ( ENAFEME Niger 2021 ). Miavaka amin'ny fahatanoràny ilay firenena, salanisa 15 taona, vokatr'io taham-pahaterahana ambony be io. Araka izany, amin'ny 2033 dia mety hanakaiky ny 35 tapitrisa ny isan'ny mponina.
https://mg.globalvoices.org/2023/02/06/162115/
100 taona taty aoriana, niverina mafonja indray ny Tanabra. Fitontonganan'ny fitiavana mozika Sodaney ve ?
2023-02-06T08:15:30
Unknown
Zava-maneno tendrena feno vakana, lalaovina manerana an'i Sodana. Sehatra ho an'ny daholobe, Sary : ksblack99. Wikimedia commons . Fampiasana ara-drariny. Ity lahatsoratra ity ny Raseef22 no namoaka azy voalohany, sehatra fampitambaovao Arabo, tamin'ny 5 Janoary 2023, ary nosoratan'i Mughira Harbiyeh. Dika nasiam-panovàna no naverina navoaka eto indray noho ny fifanarahana hifampiza  votoaty. Tamin'ny 1919, rehefa nanokatra fijery iray vaovao i Omdurman manoloana ny vaninandro maoderina sy ny sivilizasiona, dia nanao hetsika hanovàna tanteraka ny sarintanin'ny mozika Sodaney sy ny hoaviny ireo mpamorona ny mozika Sodaney amin'izao vaninandro izao, ny mpamoron-kira sady mpihira Hajj Sorour ary ny poeta Ibrahim Al-Abadi . Noroahin'izy ireo tao Omdurman ny Tanabra, tarika iray ara-poko manana mozika malaza, rehefa nikomy tamin'izy ireo ny Tanabra. Avy any ambanivohitra sy ny tany efitra ny tarika ary nanjaka teo amin'ny sehatry ny mozika nentim-paharazana. Taonjato iray taorian'io sesitany manan-tantara io, ny ampitson'ny Revolisiona Desambra , sy tanatina vanim-potoana nisavoritaka izay nanirian'ireo vahoaka Sodaney mafy hiverenan'ny fiainam-pirenena amin'ny laoniny tao anatin'izay rehetra fanehoana voadio sy ara-kolontsaina, toy ny alin'ny teatra, ny sarimihetsika, ny fiantsàna tononkalo, sy ny fihirana, nipoitra indray ny Tanabra, naka ny renivohitra tamin'ny lafiny rehetra rehefa nitafy ireo fitafiana ‘Bedouin’ : fehiloha Levantin sy akanjo bory tanana eo ambonin'ny akanjo maroloko. Tamin’ity indray mitoraka ity izy ireo dia niverina niaraka tamin’ny rababa misy tady 5 , menamenatra ary gadona maina. Misarika angolam-pitiavana, tsy fahampiam-pitiavana sy embona, ary koa ireo fomban-drazan'ny Bedouin sy fitaingenan-tsoavaly ny filantom-peon'izy ireo . Miampita amin'ny alalan'ny lahatsoratra an-tononkalo iray tsy manana afa-tsy tontolo tokana feno tomany, mikatona amin'ny tontolo hafa rehetra, ary mandrara ireo vakiteny hafa nadika, mifanohitra tanteraka amin'ny mozika Sodaney izay namelona lalina ny fifohazan-tsaina avy amin'ny revolisiona ho amin'ny zava-misy vaovao, ny vanim-potoana  romantika, hatramin'ny fotoanan'ny fanoratana kaody. Amin'izao fotoana izao, be mpangataka be ny Tanabra ho an'ireo hetsika ara-mozika manerana sy manodidina ny tanàna, toy ny amin'ny mariazy sy ny fanolorana diplôma. Samy mandefa ny mozikan'izy ireo avokoa ny fitateram-bahoaka iombonana sy ireo finday. Nifanojo tamin'ny tsy fahampian'ny mpanakanto manaraka izao vanimpotoana izao sy ny famoronana mozika matotra izany mba hamenoana ny banga navelan'ny fialàn'ireo mpiangaly mozika malaza tao Sodàna, ary koa niaraka tamin'ny fanetsiketsehana ara-poko taorian’ ilay fanonganam-panjakana nataon'ny tafika . Fankafizana mozika natosiky ny embona Niteny tamin'ny Raseef 22 ilay mpitendry mozika Walid Youssef fa ny tsy fitoviana misy eo amin'ny tany efitra mpamokatra sy ireo tanàn-dehibe mpanjifa, ny tsy fahampiana fotodrafitrasa tena henjana be sy ireo tolotra tena ilaina, ary ny fifindràn-toerana ataon'ireo mponina an-tany efitra mankany an-tanàndehibe no mitondra ho amin'ity trangan-javatra ity. Izany dia mivadika ho fidangan'ny vidim-piainana sy ny fibontsonan'ny tanàndehibe, ary koa ny fitombon'ireo trano tsizarizary, ny fehikibonm-pahantràna sy ny fanorenana baranahiny eny ivelan'ireo tanàndehibe,  ary mety ho ao anivony aza, ho setrin'ny fitotonganana sy ny fanjavonan'ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra. “Nitarika fampidirana ratsy an'ireo mpifindra monina avy ambanivohitra ho ao anatin'ny tontolo vaovao an-tanàndehibe misy azy ny fifindramonina avy any ambanivohitra, ary koa ny fitazonana ny fomba amam-panaon'izy ireo tena maha-izy azy avy any ambanivohitra, ny fitomboan'ny fitondrantena sy ny fomba fanehoana ara-piarahamonina manafintohina ary ny firoboroboan'ny ny fety nentim-paharazana ambanivohitra ao afovoan-tanàna”, hoy i Youssef nanohy. Asongadiny ny fahaterahana indray ho an'ny fombandrazana Albutan efa maty tany aloha, izay naka toerana indray miaraka amin'ny mozika r ababa . Fomban-drazana iray io izay ahitàna ireo zatovolahy miboridana sy mifamely amin'ny karavasy mandritra ilay fankalazana eo afovoan'ny hiakiak'ireo vehivavy, mba hampisehoana ny soatoavina  Bedouin amin'ny maha-vatan-dehilahy, ny faharetana, ny fihafiana ary ny herim-po. “Manakaiky kokoa ny embona ny zava-nitranga”, hoy ny nambaran'i Siraj El-Din Mustafa teo amin'ny Raseef22, ilay mpitsikera zavakanto, “miaraka amin'ny fiverenan'ny fomba Haqibi arahin'ny hira rababa “. Manampy izy fa : “Ny fiverenana amin'ny fomba taloha dia azo adika amin'ny fomba maro, ny lehibe indrindra izay tsy vitan'ny mozika Sodaney maoderina, na izay antsoina hoe endrika ‘Omdurman’, ny nanolotra lahateny an-kira manitikitika ny fihetseham-po rehetra ary ny namaly ny hetaheta rehetra, fa  nahiboka irery ho an'ireo olona an-drenivohitra ary tsy niraharaha ireo tany amin'ny sisiny”. Inoan'i Mostafa fa ny fandrosoana teknolojika no niteraka revolisiôna iray manohitra ny mozika maoderina ary ny lazan'ny ny mozika rababa amin'izao fotoana izao dia azo heverina ho toy ny fifandonana eo amin'ireo any amin'ny sisiny sy ny ao afovoany. “Ady efa tranainy sy miverimberina izany”, hoy izy nanamafy, “izay mampiseho ny tsy firaharahàn'iroe governemanta rehetra ny any amin'ny sisiny, eo amin'ny lafiny tolotra momba ny fiainana na ihany koa eo amin'ny sehatra misy ireo fikambanana fampahalalam-baovao miasa any amin'ireo faritra misy teritery.” Tsapany fa mba hanatrarana ny rehetra dia nahita sehatra malalaka sy tsy voafetra ny mozika rababa ary mametraka ny tenany ho endrika tononkira mendrika hoheverina noho ny revolisiôna nentin'ny media sôsialy, izay tafasisika sy nanakorontana ireo hevitra nentim-paharazana, ka niteraka fiovàn'ny fomba fanao. Tsy nampiasaina tamin'ny fanetsiketsehana foko izay misy ao Sodàna ny mozika Tanbara, araka ny voalazan'i Mustafa, satria “natokany ho an'ny malalany ihany no hihiran'ireo zatovolahy.” Araka ny lazain'i Tablo, ireo sarambabem-bahoaka ireo dia niharan'ny fanavakavahana tsotra izao nataon'ny fitondrana tao Khartoum nandritra ny 50 taona mahery. “Miasa mafy mihitsy ireo mpandrafitra ny fanonganam-panjakana mba hampidirana ny fifamatorana ara-pirazanana [ny foko] sy ny hakàna ny hafanam-pon'ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra mba hanomezana vàhana fomba fijery hafa sy mety tsara amin'ny jadona ara-miaramila.” Malàla-tànana izy ireo manohana ny famoronana mozika rababa mba hahafahany hiroborobo eny an-dalambe”, hoy izy nanohy. Hamafisin'i Tablo fa raha teo ambany fiahian'ny fanjakana sivily io fandaniana io dia taratry ny fanantenana hisian'ny firoboroboan'ny kolontsaina isam-paritra izay mandrafitra firenena iray manana kolontsaina marolafy, eo ambany fiarovana ny fitovian'ny olompirenena rehetra. Fiainana miafinkafina “Faly aho fa tafiditra tao Khartoum ireo hira avy any ambanivohitra (gadona country )”, hoy ny nambaran'ilay poeta modernista Abd Al-latif Hassan , manamafy ny fankafizany mozika Tanbara. “Firenena iray midadasika ahitana kolontsaina sy zavakanto goavana marobe i Sodàna. Ahitana ihany koa ny fiainana manontolo sy tsy manam-paharoa izy, izay teraka sy maty am-pahanginana tsy nisy niraharaha azy ireo”, hoy ny nambarany teo amin'ny Raseef22. “Nodimandry tsy nisy nahatsikaritra akory ireo talenta goavana, tsy nomena toerana malalaka hanehoany ny fahaiza-mamorona, ary tsy nmena fankatoavana ihany koa ny sanganasan-dry zareo satria tsy mamaly ireo mason-tsivana napetrak'ireo mponina an-tanandeehibe, izay manana hevitra hafa momba ny atao hoe kanto, iza no mendrika azy ary iza no tsy mendrika,” hoy ny teniny. Hamafisin'i Hassan fa izay monina eny ambanivohitra sy an-tany efitra dia efa hatry ny ela no noteren'ireo manampahefana hitondra ny fiainany araka izay andrasana aminy manokana sy modely manokana ary tsy afaka mikomy tamin'izy ireny, tsy afaka nandà azy na nihoatra azy ireny. Olona vitsivitsy monja sisa no mba maharaka ny hakanton'ireo hira sy tononkalo mahafinaritra nipongatra avy any anaty ahi-maitso tany. Alefan-dry zareo izy ireny hiparitaka mba hanehoana ny fitiavany ny fiainana sy mba hanafanana ny fanahy. Ny hira no mitatitra ny tebitebin'ny fon'izy ireo voafitaka sy ny famoizany ny olon-tiany ; raha ny tena izy dia tahirizin-dry zareo ho azy ireo samy izy ihany io mozika io, tsy misy mpahalala”, hoy izy nanampy. Tohizan'i Hassan hoe : “Ankehitriny, tonga saina ny rehetra. Olona vitsivitsy sisa no sorena amin'izany satria tsy tiany ny hanongotana azy amin'ny tany tandrify na fanimbàna ireo fenitra henjana sy fitsaratsarampoana momba ny fahalalàny tsirony anatin'ny zavakanto.”
https://mg.globalvoices.org/2023/02/02/162198/
Ahoana no ahafahan'ny Fetibe Black Star Line sy ny hip-hop hampavitrika kokoa ny pan-afrikanisma
2023-02-02T03:51:05
Unknown
Mpanakanto mandoko graffitti amin'ny rindrina ho fanomezam-boninahitra ireo mpanakanto Hip hop sy ny endrin-javakanto. Sary avy amin’ny: Garry Knight. Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0) Tamin'ny fiandohan'ity taona ity, mpanakanto hip-hop amerikana roa, Chance ilay mpiangaly Rap sy Vic Mensa, no nanao ny fanokafana voalohany ny Fetibe Black Star Line ao Accra renivohitra Ghana. Tamin'ny taona 1919, nanorina ny Black Star Line, orinasam-pandefasana entana sy mpitondra mpandeha, ilay mpikatroka politika Jamaikana Marcus Garvey . Natao ho fitaovana mampiroborobo ny fanomezan-kery ara-toekarena ho an’ny mainty hoditra sy ny fiverenan'ny olona taranaka Afrikana monina any Karaiba sy Amerika [any amin'ny tany niaviany], nahatonga fisandratan'ny hetsika ara-kolontsaina hafa ho an’ny hetsika pan'afrikanista indray ny antsony fampiraisana “ Back to Africa (mody any Afrika) ”. Amin'ity indray mitoraka ity, tsy ireo manam-pahaizana pan-afrikanista na ny mpanao politika no manao izany, fa ireo mpanakanto hip-hop ao Afrika sy any am-pielezana. Nahitana lanonana, famelabelaran-kevitra ary fampisehoana maimaim-poana ny fetibe naharitra herinandro. Ny 6 janoary, mpakafy miisa 52.000 no nirohotra nankany amin’ny Kianja Black Star manan-tantara, toerana ampiasaina isan-taona hanaovana ny matson'ny fetin'ny fahaleovantenan'i Ghana. Nahitana an'i Chance tenany, Talib Kweli, Erykah Badu, T-Pain, Jeremih, Sarkodie, Tobe Nwigwe, Asakaa Boys, M.anifest, ary ilay mpanakanto hip-hop mpiara-miasa teraka tany Chicago Vic Mensa ny fandaharam-potoana. Nanatrika izany koa ilay mpanao hatsikana sady mpilalao sarimihetsika Amerikana Dave Chapelle. A post shared by Vic Mensa (@vicmensa) Nisongadina tamin'ny fetibe ny fanomezam-boninahitra an’i Garvey nanomezana ny anarany hoan'ny orinasany fandefasana entana sy ny fampianarany sy ny fanatanterahana ny lova napetrany tamin'ny fampiraisana ny vahoaka Afrikana tamin'ny alalan'ny fiantsoana ireo mpanakanto amerikana ho any Afrika sy ny famafazana ny voan'ny fifanakalozana ara-kolontsaina izay hiafara amin'ny fanomezan-kery ny Mainty. Raha niresaka tamin'ny Newsweek momba ny antony nikatsahan'ny fetibe maimaim-poana ny fampiraisana ireo mpanakanto any ampielezana sy ny fampiroboroboana ny faritra sy ny talentany, noresahan'i Mensa — teratany avy any Chicago izay tera-dray Ghaneana sy reny Amerikana fotsy hoditra — ny anaovan'ireo mpanakanto lehibe tsinontsinona an'i Afrika rehefa manao fitetezana ireo tanàna lehibe ry zareo sy nanao fampisehoana mivantana. One of the principal reasons for the neglect is an internalized superiority complex that has ‘othered’ Africa, even if those artists have African roots themselves. Iray amin'ireo antony lehibe indrindra mahatonga tsy firaharahiana ny fahatsapan-tena ho ambony ‘manilika’ an'i Afrika ho hafa, na dia manana fiaviana Afrikana aza ireo mpanakanto ireo. Tsy azo odian-tsy hita ny dindon'i Afrika amin’ny mozika maoderina . Miainga amin'ireo mpanakanto manerantany lehibe mampiasa ny dindo Afrikana amin'ny mozikany (ny Afrobeats no vao haingana indrindra), ny lamaody sy fihetsika ka hatramin’ny fampiasana dihy mihetsika toy ny gwara gwara afrikana tatsimo ao anaty fampisehoana sy rakikira an-tsary. Nisedra fanafihana mafy ny sasany noho ny fampiasana zava-notrandrahina, araka ny nomarihin’i Mensa tao amin’ny Newsweek, izay tsy misy hafa amin’izay nataon’ny fahefana mpanjanaka tamin’i Afrika, “nandroba azy tamin’ny harena voajanahary sy ny hareny ara-kolontsaina”. Manantena i Mensa sy i Chance fa afaka mampitsahatra izany ny fetibe. Araka ny filazan-dry zareo, ny fetibe no dingana voalohany amin'ny fampivoarana ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin'ireo artista hip-hop Amerikana sy Afrikana anatin'ny tanjona hanomezana soa fanararaotra amin'ny fanabeazana, fampanankarena ary ny fampielezana kolontsaina. Manantena ry zareo fa hisy fitomboan-traika izany tsy amin'ireo mpanakanto hip-hop manao fampisehoana ao Ghana ihany fa amin'ireo artista maro hafa mametraka an'i Afrika ho ao anaty lisitry ny fitetezam-paritra ataony sady miara-miasa amin'ireo mitovy asa aminy. Mamelona ny Pan-Afrikanisma vaovao sy mavitrika n y hip-hop maoderina Hatramin’ny nipoirany teny an-dalamben'i Bronx any New York tamin'ny taompolo 1970s, nisandratra ny hip-hop ho lasa hery matanjaka izay namolavola amin’ny ampahany ny mari-panondroana Mainty Hoditra maneran-tany. Nijanona miorim-paka amin'ny fomban-drazana mozika sy sosialy Afrikana nandritra ny taona maro ny kolontsainy. Nianatra nampiasa an’io karazana zavakanto mahery vaika io mba hilazana ny marina amin’ny fahefana ireo mpanakanto hatraiza hatraiza, indrindra any amin’ny kaontinanta Afrikana na dia amin’ny niovany vao haingana tany Amerika ho — vondron'orinasam-barotra be mpanjifa- . Nomarihiny ihany koa fa na dia nihalehibe aza ny feo Pan-Afrikana amin'ny hip-hop, dia nihalehibe ihany koa ny hetahetany hananany (fitomboana) tahaka ny efa nananan'ny ankamaroan'ireo raiamandreny nanangana ny fanjakana Afrikana toa an'i Nkrumah, Jomo Kenyatta, ary Julius Nyerere dia ilay Etazonian'i Afrika Sosialista. Izany hetsika Pan-afrikana vaovao izany dia “fandravonana ny vondronolona sy mari-panondroana afrikana” mifototra amin'ny fiaraha-miasa. Lasa fanoitran'ity Pan-Afrikanisma vaovao ity ny hip-hop. Nofaritan'i Clark fa, mba hahatakarantsika ity Pan-Afrikanisma vaovao ity, dia mila ifantohantsika ireo famantarana tsy amin'ny mozika afrikana ihany fa amin'ny hip-hop ihany koa. Nilaza tamin'ny Newsweek i Mensa, izay ho kintan ‘ny andian-tantara Afrikana/Amerikana momba ny fahaterahan'ny sehatra hip-hop indray ao Afrika Atsimo taorian'ny fanavakavaham-bolonkoditra, ny fa fanantenany hikarakara ny fetibe manerana an'i Afrika. Tsy isalasalana fa hisarika fiaraha-miasa lehibe hafa eo amin'ireo mpanakanto hip-hop manerana an'i Afrika sy any am-pielezana izany.
https://mg.globalvoices.org/2023/02/14/162714/
ONU, nataon'ny governemanta Maliàna lasibatra mivantana tamina fandroahana nisesy ireo solontenany
2023-02-14T16:56:42
Unknown
Pkantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny France 24 Tsy misalasala mandroaka ireo solontenan'ny Firenena Mikambana ny manampahefana maliàna, ho fampahafantarana azy ireny fa tsy leferiny velively, na kely aza, ny kiana, na eo an-toerana izany na iraisam-pirenena, atao amin'ny pôlitikany mankasitraka ny Rosiàna. Ny 27 Janoary 2023, ny Filankevi-Pilaminana ao amin'ny Firenena Mikambana dia nanao fandinihana ny toedraharaha momba ny filaminana ao Mali . Io kaonferansa io dia nahitàna ny fandraisana anjaran'ireo mpisehatra avy amin'ny fiarahamonina sivily, toa an'i Aminata Cheick Dicko, mpiaro ny zon'olombelona. Nandritra ny fandraisam-pitenenany , nampangainy ny fidiran'ilay vondron-tafika rosiàna Wagner tamina raharaha henjana nisy fanitsakitsahana zon'olombelona ao Mali. Tsy lanin'ny vavonin'ny governemanta amperinasa ao Mali ireny fanambaràna ireny. Ny 5 Febroary 2023, nambaran'ny diplaomasia maliàna ho olona tsy iriana (tsy misy ilàna azy) ao Mali i  Guillaume Ngefa-Atondoko Andali, talen'ny sampana misahana ny zo'olombelona ao anivon'ny Iraky ny Firenena Mikambana ho fampandriana fahalemana an'i Mali ( MINUSMA ). Araka ilay fampitam-baovao , anatsiniana an'i  Andali ny nifantenany “ireo mpisandoka andraikitra mitafy ny laharam-boninahitra ho solotenan'ny fiarahamonina sivily maliàna, tsy niraharahiana ireo manampahefana sy ireo andrimpanjakana eo amin'ny firenena”. Mitàna toerana goavana be anefa ny MINUSMA ao anatina tontolo iray isiana ady an-trano lavareny ao Mali. Taorian'ny fikomiana iray nataon'ireo Touareg mpitady fizakàntena ta ny avaratry ny firenena, dia tafiditra anaty krizy tsy mbola nisy toy izany ilay firenena, krizy nitondra nankany amin'ny fanonganana ny governemantan'i Amadou Toumani Touré ny 22 Martsa 2012. T amin'ny 2013 , lany tamin'ireo fifidianana vaovao i Ibrahim Boubacar Keïta ho eo amin'ny fitondrana. Nampanantena tokoa izy fa hiady amin'ny kolikoly sy hamerina ny fandriampahalemana, ary dia nitondra fanohanana ho azy ny Firenena Mikambana tamin'ny fametrahana ny MINUSMA tao Mali, raha vao nigadona ny Jolay 2013 . Saingy nihanaka be teny anivon'ny rehetra ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly . Ny firongatr'ireo vondrona mpampihorohoro sy ny fitomboan'ireo fanafihana nataon'ny jihadista dia niteraka fitroaran'ny vahoaka hitaky ny fialàn'ny filoha Keïta. Fanonganam-panjakana niisa roa no nodiavin'ny firenena, izany rehetra izany dia notarihan'ny Kôlônely Assimi Goïta avokoa, ny iray tamin'ny 18 Aogositra 2020, taorian'ireo fihetsiketsehana marobe nokarakarain'ny Hetsiky ny 5 Jona Fivondronana'ireo Hery Tia Tanindrazana (M5-RFP), ary ny iray hafa tamin'ny 25 May 2021. Nanambara ny tenany ho filohan'i Mali i Goïta tamin'ny volana May 2021, ary nanomboka tamin'izay dia nanao fanavaozana pôlitika izay nitondra azy hitodika tany amin'i Rosia ho an'ny resaka fiaraha-miasa ara-tafika , sy nitaky ny hialàn'ireo tafika frantsay eo amin'ny tanin'i Mali , izay efa teao nanomboka tamin'ny Janoary 2013 tamin'ny alàlan'ilay hetsika Serval izay nodimbiasan'ny hetsika Barkhane , natomboka tamin'ny 1 Aogositra 2014. Andiam-pandroahana nisesy an'ireo solontenan'ny Firenena Mikambana Ny fandroahana tamin'ny 5 Febroary an'i Volker Türk, ilay solontenan'ny Kaomisera Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona, dia nitranga fito volana taorian'ny nandroahana an'i Olivier Salgado , mpitondratenin'ny MINUSMA; ary nanaraka ny an'i Christophe Sivillon, lehiben'ny biraon'ny Minusma tao Kidal izay voaroaka tamin'ny 2019 noho ireo teny tsy lanin'ny vavonin'ny governemantan'ny Filoha Keita. Toa nankasitrahan'ny ankamaroan'ny vahoaka maliàna ny fandroahana ilay diplaomatin'ny Firenena Mikambana, vahoaka izay manohana ny governemantan'i Goïta, araka ny voalazan'ny sasany amin'ireo fanehoankevitra ao amin'ny Twitter: Une décision intelligente de notre Gouvernement #Mali 🇲🇱 ! La réponse doit être à la hauteur des dommages causés ! Guillaume Ngefa Atondoko Andali, chef du département des droits de l'homme de la MINUSMA, a été déclaré persona non grata et doit quitter le pays dans les 48 heures. pic.twitter.com/ifAbTp6hg0 — Oumar Macalou (@OumarMacalou4) February 6, 2023 Fanapahankvitra voasaina tsara nataon'ny governemantantsika #Mali 🇲🇱 ! Tokony hifandanja amin'izay fahavoazana naterany ny valinkafatra! Nambara ho olona tsy iriana / tsy misy ilàna azy i Guillaume Ngefa Atondoko Andali, lehiben'ny departemanta momba ny zon'olombelona eo anivon'ny MINUSMA, ary tsy maintsy mandao ny firenentsika ao anatin'ny 48 ora. pic.twitter.com/ifAbTp6hg0 — Oumar Macalou (@OumarMacalou4) Tao amin'ny Twitter, ireo mpikatroka sasantsasany toa an'i Nathalie Yamb , mpikaroka panafrikanista mitolona hisian'ny fanapahana tadimpoitran'ireo firenena afrikàna amin-dry zareo Tandrefana, dia niarahaba ilay fanapahankevitry ny diplaomasia maliàna: Bravo aux autorités maliennes qui expulsent le directeur de la pseudo division des droits de l’homme de la MINUSMA, Guillaume Ngefa Atondoko Andali. Le 2e manipulateur onusien expulsé après Salgado. En attendant que toute cette mission nuisible plie bagage en 2023 #MinusmaDegage pic.twitter.com/uG6nWKALmi — Nathalie Yamb (@Nath_Yamb) February 6, 2023 Arahabaina ireo Maliàna manampahefana nandroaka ilay lazaina fa talen'ny rantsana mpiaro zon'olombelona ao amin'ny MINUSMA, Guillaume Ngefa Atondoko Andali. Ilay faharoa mpanasa atidoha avy amin'ny Firenena Mikambana voaroaka taorian'i Salgado. Mandra-piandry ny fangoronana entana tanteraka hataon'io iraka mpanimba io amin'ny 2023 #MinusmaDegage pic.twitter.com/uG6nWKALmi — Nathalie Yamb (@Nath_Yamb) Fanontaniana ateraky ny fandroahana tomponandraikitra telo tao amin'ny MINUSMA tato aatin'ny efatra taona latsaka ny momba izay hoavin'ilay iraka, ao anatin'ny tontolon'ny fanitsakitsahana sy fanararaotana tsy tapaka atao amin'ny zon'olombelona. Hanao ahoana ny hoavin'ny MINUSMA amin'ny fiarovana ny zon'olombelona? Ny filohan'ny sampana misahana zon'olombelona ao amin'ny ONU dia malahelo nanoloana ilay fandroahana ny solontenany tao  Mali, ary maintso ireo manampahefana mba hiverina amin'ny fanapahankevitra noraisin-dry zareo. « Tena mampalahelo mafy ahy ny fanapahankevitr'ireo Maliàna manampahefana nanambara ny solontenako, Guillaume Ngefa, ho olona tsy misy ilàna azy ary  nanomezana baiko azy handao ny firenena ao anatin'ny 48 ora. Tena nampikorontan-tsaina ahy ireo fandementsaina sy filambaniny natao azy teny anaty media sôsialy tato anatin'ny volana vitsivitsy.  Miantso  ireo manampahefana vonjimaika ao Mali aho mba hanafoana tsy misy fepetra io fanapahankevitra mampalahelo io », hoy ny nambaran'Atoa. Türk. Misy fiantraikany goavana amin'ny fitohizan'ny iraka tontosain'ny MINUSMA ity fifandirana vaovao ity satria ireo diplaomaty avy amin'ny Firenena Mikambana dia mihevitra fa ny governemanta maliàna dia mametraka mibaribary sàkana amin'ireo fanadihadiana ataon'ny MINUSMA momba ireo fanararaotana nataon'ny tafika maliàna. Marobe ireo tatitra momba ny toeran'ny zon'olombelona , isan'izany ny an'ny MINUSMA , no manapaingotra ireo manampahefana, na dia heverin'ireto farany aza fa tsy mifanaraka ireny tatitra ireny. Ny fanaisorana ireo andian-tafika vahiny tsy ho ao anatin'ilay iraka, ary ny fampihenàna ny isan'ny olona eo anivon'ny tafika misatroka manga dia milaza, araka izany, ny fangatsiatsiahan'ny sasany tamin'ireo mpifanome tànana tao anatin'ilay iraka. Mety vao mainka hiharatsy ny toedraharaha raha toa ny MINUSMA ka tsy maintsy hampitsahatra ny asany. Fanamafisana ny dindo Rosiàna ao Mali Valo amby efapolo ora taorian'ny nanambaràna ny fandroahana an'i Andali, tonga nitsidika ny mpitondra maliàna ny lehiben'ny diplaomasia rosiàna, Sergueï Lavrov, araka ny asehon'ity bitsika ity: Le ministre russe des Affaires étrangères, Sergeï #Lavrov , était à #Bamako ce mardi pour officialiser le rapprochement entre la #Russie 🇷🇺 et le #Mali 🇲🇱. Le point avec @StephaneBALLONG , rédacteur en chef #Afrique de @FRANCE24 pic.twitter.com/MBLFg9IqWe — FRANCE 24 Français (@France24_fr) February 7, 2023 Tamin'ity Talata ity ny minisitra rosiàna misahana ny raharaha ivelany, Sergeï #Lavrov , dia tonga tao #Bamako hanambara amin'ny fomba ôfisialy ny fifanatonan'i #Rosia 🇷🇺 sy #Mali 🇲🇱. Ny momba izay, miaraka amin'i @StephaneBALLONG , tonian'ny fanoratana momba an'i #Afrique ao amin'ny @FRANCE24 pic.twitter.com/MBLFg9IqWe — FRANCE 24 Français (@France24_fr) 7 Febroary  2023 Toy ny fanamafisana ny fifamatoran'i Bamako sy Maosko no nanehoana io fitsidihana io, ary toa maneho ny fahavononan'i Goïta hanaja ny fiandrianam-pirenen'i Mali. Ho an'i Abdoulaye Diop , minisitra misahana ny raharaha ivelany sy ny fiarahamiasa iraisampirenena, dia resaka fanatontosana ireo fiarahamiasa mifanaraka amin'ny hetahetan'ny vahoaka maliàna ilay izy, hoy ilay gazety anaty tambajotra Maliactu : La coopération France-Mali ne répondait pas aux attentes du peuple malien, selon Bamako – https://t.co/U2uiUo85a5 #Mali Le Mali a réalisé que son partenariat avec la France ne correspondait pas aux aspirations de son peuple, a déclaré le chef de la diplomatie malienne. Notamme… pic.twitter.com/SPTJ6ptg5n — maliactu (@maliactu) February 7, 2023 Tsy namaly ny filàn'ny vahoaka maliàna ny fiarahamiasa Frantsa-Mali, araka ny voalazan'i Bamako – https://t.co/U2uiUo85a5 #Mali Tonga saina i Mali hoe tsy nifanaraka tamin'izay nandrasan'ny vahokany ny fiarahany niasa tamin'i Frantsa, hoy ny nambaran'ny lehiben'ny diplaomasia maliàna. Indrindra… pic.twitter.com/SPTJ6ptg5n — maliactu (@maliactu) 7 Febroary 2023 Na ny Firenena Mikambana na i Frantsa dia samy miatrika kihon-dàlana momba ny tena jeôpôlitika ao amin'ny faritra. Raha ny marina, tsy zava-maningana ny toerana noraisin'ny diplaomasia maliàna : i Centrafrique sy Burkina Faso koa dia manaraka pôlitika mitovitovy amin'izany, pôlitika mankasitraka an'i Rosia. Ambonin'izany, vao avy nanao fanambaràna ireo manampahefana ao Burkina Faso nanehoan-dry zareo ny faniriany hanangana federasiôna iray miaraka amin'i Mali .
https://mg.globalvoices.org/2023/02/06/162558/
Ao Togo, ampiasain'ilay mpihira Elias Atayi ny mozika mba ho mpivoy ny resaka zon'olombelona
2023-02-06T13:02:37
Unknown
Elias Atayi eo am-pilalaovana gitara. Sary nopihan'i Jean Sovon, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy. Togoley mpiangaly mozika i Elias Atayi no sady mpihira, mampiasa ny mozikany ho fanandratana ny zon'olombelona tokony hositrahan'ny vehivavy sy ny ankizy. Tena zavadehibe tokoa ho an'ny ankamaroan'ireo Togoley ny fiarovana sy fanandratana ny zon'olombelona, miseho amin'ny endrika fikatrohana ao an-toerana, amin'ny zavakanto sy ireo fampisehoana ara-kolontsaina. Na miezaka aza ireo manampahefana ny hanatsara ny toedraharaha, mbola be ny fanamby mitoetra raha resaka fiarovana zon'olombelona ao Togo. Ireo olompirenena, etsy ankilany, dia manao izay vitany mba hanangana fanjakana iray mametraka ho laharam-pahamehana ny fanajàna ny zon'olombelona. Ity ny an'i Elias Atayi, na Eli Amate Ataya araka izay ahafantarana azy ara-panjakàna. Artista mirotsaka an-tsehatra izy ho amin'ny fiarovana ny zon'olombelona, ary mpiara-manentana ny fandaharana Nek'tar ao amin'ny TVT , fantsom-pahitalavitra iray ao Togo. Izy no iray amin'ireo artista vitsivitsy tsy mitsahatra ny miampanga ny fanararaotana sy manaitra ny saina momba ny zon'ireo vehivavy sy ny ankizy amin'ny alàlan'ny mozikany. Ampiasainy ny taokantony mba hitondrana fiovàna miabo, araka izay hita ao anatin'ity lahatsariny Youtube ity: Ny Global Voices dia nihaona tamin'i Elias Atayi tamin'ny alàlan'ny  Whatsapp mba hahafantarana misimisy kokoa momba ny fomba fijeriny ny atao hoe fikatrohana. Jean Sovon (JS): Avy aiza no nipoiran'ity fankafizana mozika ity? Elias Atayi  (EA) Efa ato anaty ny mozika, ary efa nolalaoviko hatramin'ny izaho mbola tanora. Rehefa nitombo, dia nanaraka fampianarana mozika tamin'ireo Togoley mpiangaly mozika toa an'i Gospel Renya sy Edi Togovi aho. Niditra tamina tarika mozika sy amboarampeo . Nanomboka nilalao zavamaneno ka isan'izany ny gitara, izay namana mahatoky ahy lalandava. Niditra tao anatin'ny orkestry ny Anjerimanontolon'i Lomé aho, ka tao no nahita anarana marobe nifandimby teo anoloako, izay tsy iza fa ireo Togoley efa sangany : Foganne izay niaraka tamiko nanatontaosa ny Mon Rêve (hira iray mandoko ny tontolo ho fotsy) sy Victoire Biaku (mpandresy tamin'ny The Voice Francophone Africa ). JS: Any anatin'ireo hiranao, tsapanay ho toy ny misy fanolorantena ho amin'ny zon'olombelona. Maninona ny mozikanao no ampiasainao hiresahana ireo olan'ny zon'olombelona? EA: Tamin'ny 2018, nanjohy ny Ivontoerena Firaketana sy Fiofanana momba ny Zon'olombelona ( CDFDH ) aho. Nandritra ireo fiofanana isankarazany sy ireo hetsika teny an-kianja, lasa niha-natanjaka kokoa ny fanolorantenako. Niaraka tamin'io rafitra io, nananako ny fahafahana mba hamorona sy handrakitra hira iray hampanarahana ny Xonam , fampiharana iray ampiasaina mba hirovana ny zon'olombelona. Tena traikefa iray nahafinaritra izay, ary nanamafy ny fanolorantenako. Tsotra ny fotokevitra : Tsy maintsy arafitra hifanaraka amin'ny tanjona ho tratrarina ny hafatra sy ny fitaovana. Raha gadona rap no tian'ireo tanora, dia andao ampitaintsika amin'ny alàlan'ny rap ireo hevitra momba ny zon'olombelona. Izaho dia isan'ireo mihevitra fa ny artista dia manana anjara andraikitra goavana amin'ny fanatratrarana ireo Tanjon'ny Fampandrosoana Lovainjafy ( ODD) . Henoina, tiavina ary arahan'olona an-tapitrisa ireo artista . Araka izany dia hisy fiantraikany ngezabe sy hanentana fiovàna misimisy kokoa eny amin'ireo mpanaraka an-dry zareo ny hafatra avy amin'izy ireny sy ny fandresena lahatra ataony. Satria hita any anatin'ny tokantrano rehetra any ny mozika, ary rehefa lalaovina tsara ny mozika, dia manakoako any an-tsaina ireo tononkira, amin'ny fomba tsy haintsika akory. Io no tanjon'ny asako: hoe mba hiantraika amin'ny fitondrantena sy ny fahazàrana ny tonon'ireo hira. Nandritra ny Covid, rehefa tonga tamin'ny faratampony ilay valanaretina, namoaka singles’ roa izahay ( Respecte les mesures – Hajao ny fepetra – sy ny La prophétie – Ny Faminaniana) mba hanairana ny saina momba ilay valanaretina sy ny fiantraikany ratsy. Voaray tsara ny hafatra na dia tsy hira nalaza aza ireny hira ireny, heveriko fa efa fanombohana io, indrindra fa voafetra ny fitaovana nanananay. JS: Ahoana no fahatsapanao ny toedraharaha momba ny zon'olombelona eo Togo amin'izao fotoana izao? EA: Mbola betsaka ny asa tokony hatao, indrindra fa any amin'ireo vondrom-piarahamonina any ambanivohitra; an-tapitrisa ireo olona tsy mahafantatra akory ny zony, ny vehivavy iharam-panararaotana tsy re feo, ny zaza tsy nandia fianarana – indrindra fa ireo ankizivavy. Tena marina fa nisy ny fivoarana, saingy mbola lavitry ny kely tokony ho vita aloha isika hatreto. Tsy mitovy amin'ny toedraharaha momba ny zon'olombelona nisy tamin'ny andian-taona 80s ny an'ny  2000’s. Saingy tsy maintsy miasa misimisy kokoa mba hahita tetikady vaovao, fomba vaovao hampandraisana anjara ireo tanora, ny vehivavy ary ny ankizy. Tsy maintsy mitondra fifaliana sy hazavana izahay ho an'ireo tanora an-tapitrisa any amin'ireo faritra lavitra andriana, amin'ny alàlan'ny fikarakaràna hetsika isankarazany mifototra amin'ny lohahevitra miresaka zon'olombelona, hatramina fanofanana fampiharana avy hatrany mba ho fampitaovana ny vahoakanay. Vonona izahay ny hanainga. JS: Ankoatry ny mozika, inona no fomba hafa andraisanareo anjara amin'ny fampandrosoana ny resaka zon'olombelona ao Togo? EA: Tamin'ny 2019 aho no namorona ny fikambanako Equal Rights For All (ERFA) ho fampiroboroboana ny zon'olombelona sy fampandraisana anjara ny olontsotra ao anatin'ny zavakanto, ny kolontsaina ary ny fanatanjahantena . Fanamby iray tsy mora napetraka, indrindra fa haintsika ny toeran'ny zavakanto ao anatin'ny pôlitika. Eny, noraisina ny zavakanto ho entina mampiroborobo ny zon'olombelona satria ny olona tsy mahafantatra ny zony dia tsy ho afaka hiaro azy ireny velively. Mazàna, tsy hain'ny olona na manitsakitsaka ny zon'izy ireo ny mpamoritra azy na tsia. Vokatr'izay dia miraviravy tànana ry zareo any anatin'ireo toedraharaha izay tokony hikatsahany ny rariny noho ireo fanitsakitsahana nitranga ary tokony hitakiany ny hanajàna ny zony. Amin'izao fotoana izao, marobe ireo tetikady navoitranay ary tena nisy famoronana mihitsy no sady anatin'ny fahatanorany. Nikarakara izahay fifaninanana mandihy, lalao baolina, hazakazaka, fandefasana sarimihetsika amin'ny alina, ary ireo andiany itondràna miaraka ireo mpilalao teatra avy eo an-toerana hiresaka manodidina ny lohahevitray. Ireny hetsika rehetra ireny dia mitodika any amin'ny tanora avokoa, izay laharam-pahamehana voalohany ho anay. JS: Mieritreritra ny hamoaka rakikira natokana ho an'io tolona io ve ianao? EA: Rakikira iray misy hira 12, antsoina hoe Life’s Colors (Lokom-Piainana) momba ny fahitanay ny tenanay ho toy ny Zazakely Eny an'Arabe, ny Firotsahana an-tSehatry ny Olontsotra, ny Fandriampahalemana, ny Fandàvana ny Fanaovana an-Tendro Feno Herisetra, ny Fiarovana ny Tontolo Iainana, ny Fitoviana, sns… Ifantohako ihany koa ny maha-tokamiavaka, i Afrika, ny kolontsainy, ny gadona ao aminy. Tena ho rakikira miresaka zon'olombelona fotsiny io, miaraka amina gadona afrikàna. JS: Teny farany ho an'ny mpamaky antsika? EA: Inoanay ny hisiana tontolo iray tsaratsara kokoa ary inoanay fa ny zavakanto, ny kolontsaina ary ny fanatanjahantena dia afaka hitondra fiovàna ifotony sy hisy fiantraikany goavana be. Miantso ireo artista namako aho : fotoana izao hampitàna hafatra mavesatra tsy ilàna mampiasa loatra fiteny mivantambatana maro. Miaraka amin'izay hitantsika sy rentsika androany eny anatin'ireo media, matahotra aho ho an'ireo rahalahy tanorantsika sy ny ankizintsika. Momba ny fikambanana indray, maminavina izahay ny hanao fanentanana iray izay ho atomboka afaka fotoana fohy eny amin'ireo tambajotra, arahana hetsika mafimafy, saingy efa tiako sahady ny hanaitra ny saina amin'ny alàlan'ity antsafa ity.
https://mg.globalvoices.org/2023/01/31/162412/
Manamafy ny feon'ny fiarahamonimpirenena ny tambajotra sosialy ao Togo
2023-01-31T20:08:36
Unknown
Pikantsary teo amin'ny fantsom-pifandraisana YouTube an'ny TV5 Monde Manampy ireo mpitarikevitra any Togo hamadika ny tambajotra sosialy ho tena sehatra fampiroboroboana ny taham-pidiran'ny fampiasana aterineto izay tena avo dia avo tokoa. Manararaotra izany kosa ireo mpanao gazety sy mpikatroka amin'ny fiarahamonimpirenena mba hampandrenesana ny feon'izy ireo. Miorina ao Afrika Andrefana, i Togo dia mbola mijanona ho firenena ambanivohitra na dia efa ny 47% amin'ny isan'ny mponina maherin'ny valo tapitrisa aza dia an-tanàn-dehibe avokoa. Manazava amin'ny ampahany ny ezaky ny governemanta mba hanamoràna ny fidiran ‘ireo Togoley amin'ny aterineto ity fivoaran'ny fitombohan'ny mponina ity. Amin'izao fotoana izao, maherin'ny 25% amin'ireo mponina no afaka miditra amin'ny aterineto, tarehimarika izay somary avo lenta raha ho an'ity faritra iray ity. Toy ny zava-misy na aiza na aiza dia nisy fiantraikany tamin'ity firenena ity ny firongatr'ireo mpitarikevitra ary tena mahita fahombiazana ny sasany amin'izy ireo : araka ny fantsona YouTube an'ny tarika Toofan dia mihoatra ny 800.000 ny isan'ireo mpanaraka ity farany ary maherin'ny roa tapitrisa ny isan'ny olona nijery ny hirany farany : I King Mensah izay mpahay mozika malaza hafa kosa dia manana mpanaraka maherin'ny 13.000 ao amin'ny YouTube . Tsy isalasalana fa dia anisan'ireo anarana goavana ao amin'ny tranonkala Togoley ny an'ny mpanao baolina kitra iraisam-pirenena Emmanuel Shéyi Adébayor , fantatra amin'ny maha Ambasadaoro voalohany ao Togo azy eo amin'ny sehatra iraisampirenena, ary matetika heverina ho toy ny Togoley manan-kery indrindra noho ny isan'ny mpanaraka azy izay mahatratra 2.6 tapitrisa eo amin'ny pejiny Facebook . Tsy resaka fanatanjahan-tena fotsiny ihany no ataony ao amin'io tambajotra sosialy io, fa ny olana mifandraika amin'ny firaisan-kina sy ny fampandrosoana ihany koa. Tombontsoa iray ho an'ireo mpanao gazety sy ireo mpisehatra amin'ny fiarahamonimpirenena Takatr'ireo mpanao gazety Togoley ihany koa ny maha zava-dehibe ny fisiana eo amin'ny tambajotra mba hisarihana ny sain'ny besinimaro mikasika ireo olana goavana ara-tsosialy, ara-politika ary koa ny eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona. Noho izany dia hita ao amin'ny Facebook ihany koa i Noël Kokou Tadegnon izay manana mpanaraka maherin'ny 15 000 ao amin'ny kaontiny Twitter . Manentana tanora Togoley bebe kokoa i Tadegnon noho ny lalana nizorany : mpanao gazety sy mpanamarina zavamisy no asany ary tao amin'ny gazety an'onjampeo no nanombohany mialohan'ny nifantohany teo amin'ny asa fanaovan-gazety amin'ny aterineto. Izy no nanokatra ny www.mediatogo.info , sehatra famoahana votoaty an-tranonkalo voalohany indrindra tao Togo tamin'ny taona 2000. Tamin'ny taona 2008, nandrombaka ny amboara Highway Africa Digital Journalism Award tao Afrika Atsimo izay natao hankatoavana ny asan'ny mpanao gazety ao anatin'ny sehatry ny aterineto sy ny teknolojia. Izy ihany koa no nampiroborobo ny TogoCheck , sehatra iray natao hanaraha-maso ireo vaovao tsy marina. Anisan'ireo feo tena manan-danja eo amin'ny tontolon'ny haino aman-jery Togoley i Ferdinand Ayité, mpanao gazetimpanadihadiana noho ireo mpanaraka azy miisa 19 000 ao amin'ny pejiny facebook . Fantatra amin'ireo fanadihadiana nataony mikasika ny raharaha saro-pady maro ary mitarika ny gazety fanadihadiana L'Alternative izay fantatra noho ireo lahatsorany mikasika ny trangana kolikoly sy fanodinkodinam-bola izy. Vao haingana ihany koa izy no nanomboka nitantana ny fantsona YouTube azy manokana , fantsona izay sady miresaka politika no miresaka tontolo iainana, tahaka izay hita amin'ity lahatsary ity : Malaza ao Togo ihany koa ny anaran'i André Kangni Afanou : anisan'ireo tsiahy lehibe eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona izy. Mpisolovava voaofana, izy dia manohanana ireo Togoley marobe niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'izy ireo. Prezidàn'ny Ivotoeram-panangonana tahirin-kevitra sy fampihofanana mikasika ny zon'olombelona izy (CDFDH) ary Mpandrindra ao amin'ny Birao misahana ny Zo Sivily sy Ara-Politika ao Afrika Afovoany (CCPR-Centre), fikambanana tsy miankina iray miorina any Soisa. Afanou, izay mavitrika ao amin'ny Twitter, dia mpanoro hevitra ihany koa ho an'ireo tanora Togoley aman-jatony izay maniry ny hanana fahaizana mikasika ny fitarihana mba hitondra fiovana tsara ao anaty fiarahamonina misy azy ireo. Tahaka izany koa ireo vehivavy Hita ao amin'ny tranonkala Togoley ihany koa ireo vehivavy mpikatroka, sahala amin'ny hita mikasika ilay mpiaro ny tontolo iainana Rolande Djatougbe Aziaka, mpampiasa mavitrika ny Facebook sy Twitter . Mpanao gazety, mpanentana, mpanolotra vaovao amin'ny fahitalavitra, mpandraharaha ara-tsosialy, mpanorina ny fahitalavitra an'aterineto Eco Conscience TV ihany koa i Aziaka, fahitalavitra an'aterineto iray mikasika ny fampandrosoana maharitra ao Togo. Tamin'ny taona 2018, anisan'ireo tanora Togoley folo nahazo mari-pahaizana tamin'ny Mandela Washington Fellowship ihany koa i Rolande, loka izay natolotry ny Filoha lefitra Amerikana Barack Obama. Ohatra hafa iray ny an'ilay mpanao gazety Elisabeth Apampa izay mampiseho fa hain'ireo vehivavy Togoley tsara ny mitantana ny tambajotra sosialy. Miaraka amin'ireo mpanaraka azy ao amin'ny kaontiny Instagram miisa 27 000 mahery, ampiarahany avokoa ireo andraikiny maro samihafa : ny maha mpandraharahana, mpanentanana amin'ny onjam-peo ao amin'ny Zéphyr FM, sy eo amin'ny fahitalavitra nasionaly azy. Izy ihany koa no mitarika ny fetibe “ Ma Rue Ma Musique ” izay nanomboka tamin'ny taona 2017 dia lasa modely iray teo amin'ny lafiny fampiroboroboana ny mpanakanto eo amin'ny sehatra mivantana sy ny eny an-dalambe. Mpiandraikitra ny serasera amin'ny All Music Awards ihany koa i Elisabeth, fifaninanana nasionaly mikasika ny mozika ao Togo. Amin'izao fotoana izao dia azo sokajiana ho sahala amin'ny tena mpitarikevitra i Elisabeth, mahay mampiaraka ny fanaovana lahatsary sy ny fikatrohana, tahaka ny voalazana anatin'ity lahatsoratra Instagram iray ity : A post shared by Impact Media Woman🦿Togo (@elisabeth_apampa_officiel) Politika, orinasa sy teknolojia : fangaro iray tsara ho an'ny tambajotra sosialy Mampiasa ny tambajotra sosialy mba hampiroboroboana ny lazan'izy ireo ao anatin'ny sehatra maro samihafa toy ny fandraharahana, politika sy ny fanavaozana ihany koa ny olomanga Togoley sasany . Sahala amin'izany i Gerry Komandéga Taama, izay niresaka momba ny antokony mpanohitra mitondra ny anarana hoe Nouvel Engagement Togolais (NET) tao amin'ny pejy Facebook-ny amin'ny maha solombavambahoaka azy eo amin'ny Antenimieram-pirenena Togoley sy kandidà ho filoham-pirenena amin'ny taona 2025. Miavaka amin'ireo mpanao politika hafa izy noho ny fifandraisany akaiky amin'ny mponina, indrindra fa ireo tanora izay efa ho 40% n'ny mponina ka mahatsapa fa mila mpanao politika izay mihaino azy ireo. Mpisehatra manan-danja iray hafa koa i Guillaume Djondo izay Tomponandraikitra Lehibe amin'ny tontolon'ny Niomerika eo anivon'ny Fitondrana Togoley, nefa dia poeta ihany koa araka izay hita ao amin'ny kaontiny Twitter ahitana mpanaraka maherin'ny 18 000. Tsapa eny anivon'ny tambajotra sosialy izany fironana izany, ireo tambajotra ireo izay matetika mety hisy fiantraikany kokoa noho ny fampitambaovao mahazatra. Azo antoka fa hiroborobo ireo karazana olona sady mpitarikevitra no mpisehatra eny anivon'ny fiarahamonimpirenena amin'ny ho avy.
https://mg.globalvoices.org/2023/01/18/161572/
Mandroso ny zo ho an'ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra araka ny lalàna vaovao ao Tanzania, saingy mbola misy ny sakana
2023-01-18T03:31:28
Unknown
Mpandray anjara nandritra ny hetsika TED Global 2007 izay natao tany Tanzania. Sary nahazoan-dalana: Erik Hersman . Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0) Tamin'ny 1 Novambra, nandany ny Lalàna Fiarovana Angon-drakitra Manokana ny Parlemanta Tanzaniana. Tamin'ny volana Septambra, nanambara ny Minisitry ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana ao Tanzania, Nape Nnauye fa nankatoavin'ny kabinetra ny fepetra momba ny Lalàna Fiarovana Angon-drakitra ary hapetraka hiadian-kevitra eny amin'ny parlemanta ny volavolan-dalàna . Nanolotra ny fametrahana ny Lalàna Fiarovana Angon-drakitra Manokana ny volavolan-dalàna ary nanome ny fananganana Vaomiera Miaro ny Angon-drakitra manokana. Namoaka toromarika ho an'ireo mpikirakira sy mpitantana angon-drakitra ihany koa izy io mba hanendry tompon'andraikitra ambony misahana ny fiarovana ny angon-drakitra manokana, ary koa famaizana heloka bevava sy onitra ho an'ireo izay mandika ny lalàna. Satria efa lany izany ankehitriny, nampiditra an'i Tanzania tao anatin'ny laharan'ireo namany ao amin'ny Vondrona Afrikana Atsinanana (EAC), Kenya, Oganda, ary Roanda, izay nametraka ny Lalàna momba ny Fiarovana Angon-drakitra ny lalàna. Fanampin'izany, miantoka ny zo hanana fiainana manokana sy fiarovana manokana ho an'ny tsirairay izany, araka ny voarakitra ao amin'ny Toko faha-16 ao amin'ny Lalàm-panorenan'i Tanzania (Repoblika Mitambatra) (1977) . Niteraka fanehoan-kevitra teo amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa ny fanambaran’ny minisitra tamin’ny volana septambra. Nankasitraka ny fanapahan-kevitra izy ireo, na dia tamim-pitandremana aza. Tanzaniana mpikatroka Twitter @yose_hoza namoaka hoe: Tunaipongeza serikali kwa kuleta muswada wa sheria ya ulinzi wa taarifa (Data protection bill) ambayo 1. Italinda taarifa za mtu 2. Itapunguza matukio ya udukuzi 3. Itachochea makampuni kuja kuwekeza nchini #DigitalRightsTz #BeOnline pic.twitter.com/dRzRZWN3Mr — Holy (@yose_hoza) October 20, 2022 Miarahaba ny governemanta izahay tamin'ny fankatoavana ny Volavolan-dalàna momba ny Fiarovana Angon-drakitra. Hiaro ny mombamomba ny tsirairay ny volavolan-dalàna; ary mampihena ny tranga fanaraha-maso/fijirihana, ary handrisika ny orinasa hampitoby sy hampiasa vola ao amin'ny firenena (Tanzania). Nanampy i Yose hoe: “Mila fanatsarana sy soso-kevitra avy amin'ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany ity volavolan-dalàna ity mba hitondrana lalàna tsara kokoa ho fiarovana ny mombamomba ny tena manokana (Data Privacy).” Raha niresaka tamin'ny gazety iray mpivoaka isan'andro eo an-toerana ao Tanzania, nahatsapa i Maxence Melo, mpanorina ny Jamii Forums — sehatra malaza mpanao ampamoaka any Tanzania miaro ny zo nomerika —  fa efa ela no tokony natao izany, raha jerena fa efa nanomboka tamin'ny taona 2014 ny nofinofin'ilay volavolan-dalàna. Nampian'i Melo fa tena ilaina tokoa ny fampiroboroboana ny fonenan'ny angon-drakitra, izany hoe voatahiry ao amin'ny faritra ara-jeografika iray manokana mifanaraka amin'ny lalànan'ny angon-drakitra sy ny fepetra takiana amin'ny angon-drakitra ao amin'ny faritra misy azy ny angon-drakitra voaangona sy voakarakara, ho fepetra hahazoana antoka fa mahafeno ny fenitra momba ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra isam-paritra sy iraisampirenena ny angon-drakitra. Tao amin'ny lahatsoratra Twitter, Carol Ndosi , Tanzaniana malaza mpiaro ny zo nomerika nametraka fanontaniana hoe: Question – Ungekua una mamlaka ya kutengeneza 1. Sheria ya kulinda Right to Privacy yaani haki ya faragha 2. Data Protection – Ulinzi wa Taarifa.. ungehakikisha nini kinazingatiwa? — Ndosi (@CarolNdosi) October 16, 2022 Fanontaniana – Raha manana fahefana ianao hanao 1. Ny lalàna miaro ny zo hanana fiainana manokana 2. Lalàna momba ny Fiarovana ny Angon-drakitra – Fiarovana ny Vaovao Inona no ho azonao antoka fa nodinihina? Ho setrin'izany, mpisera Twitter iray naneho hevitra hoe: “Te hanana rafitra momba ny Zo hohadinoina aho, tsapako fa lafiny sarotra izany saingy afaka manomboka miresaka izany isika izao ary manangana rafitra mazava tsikelikely.” Na dia manome fanantenana mikasika ny fiarovana ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra manokana aza ny Lalàna Fiarovana ny Angon-drakitra, dia miteraka ahiahy lehibe eo amin'ny sehatra goavana sasany izany. Ohatra, ny ampahany faharoa amin'ny lalàna dia manome fahefana fiarovana angon-drakitra, antsoina hoe Vaomiera Fiarovana Angon-drakitra. Tsy azo antoka anefa ny fahaleovantena sy ny tsy fiandaniana an’ity vaomiera ity, satria ny filohan’ny Repoblika Mitambatra an’i Tanzania no nifidy ireo mpikambana ao amin'ny birao. Manome vahana ny fandroahana ny birao araka ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena izany, ary tsy misy idiran'ny Antenimieram-pirenena. Ny ampahany fahadimy amin'ny lalàna dia miresaka momba ny famindrana angon-drakitra, saingy manjavozavo ny fehezan-dalàna momba ny lafin'ny olona voakasika manome ny faneken'izy ireo ho an'ireo fikambanana izay manangona, mikirakira, mitahiry, na mampiasa angona manokana ivelan'ny sisintanin'i Tanzania. Satria tsy nomena ny “herin'ny fanekena” ireo olona voakasika, midika izany fa mety ho mora ampiasaina tsy araka ny tokony ho izy ny angon-drakitr'izy ireo. Tsy mazava ny ampahany fahenina amin'ny lalàna. Ny fizarana 34 (4), ohatra, dia manome zo feno araka ny lalàna ho an'ny mpandova mazava iray, izay midika fa afaka manaiky ny fikirakirana ny mombamomba manokana amin'ny anaran'ny olon-kafa tsy afaka manome fanekena toy izany izy ireo. Tsy ahitana fanazavana mazava ara-dalàna anefa izy io, satria tsy milaza mazava hoe “olona” iza — na velona, na kilemaina, ary/na efa maty. Mety hiharan'ny fanararaotana ity fizarana ity, satria mety tsy mahafeno ny fepetra ara-dalàna farany ekena mba hanaiky amin'ny anaran'olon-kafa noho ny antony toy ny tsy ampy taona, ny fanerena ary/na ny teknika hafa ny mpandova. Ny fizarana faha-35 kosa dia mandràra ny fikirakiràna ny angon-drakitra manokana ho amin'ny tanjona ara-barotra mivantana. Na dia eo aza ny fandraràna, dia mbola tsy fantatra mazava raha afaka mivarotra ny angon-drakitra manokana momba ny angon-drakitr'izy ireo ny mpitantana angon-drakitra. Tsy ampy ihany koa ny lalàna mikasika ny fampandrenesana fanitsakitsahana ny fiarovana. Ny fomba fitantanana ny fanitsakitsahana ny angon-drakitra dia tokony hofaritana ao amin'ny Fitsipika momba ny Fiarovana ny Angon-drakitra, mba hanerena ireo mpitantana angon-drakitra hampahafantatra mialoha ireo olona voakasika amin'izay fanitsakitsahana fiarovana mifandraika amin'ny mombamomba azy ireo manokana, ny vokany sy ny fepetra fanarenana natao. Hohamafisina tokoa amin'ny alàlan'ny toromarika ho an'ireo mpanodina angon-drakitra sy ireo mpanangona izany ny andraikitra amin'ny fampandrenesana fanitsakitsahana angon-drakitra mba hampandre ireo olona voakasika ao anatin'ny fotoana voatondro raha vao mahafantatra ny lesoka tamin'ny angon-drakitra. Na dia ao anatin'ny lalana marina aza i Tanzania amin'ny fampiharana ny Lalàna momba ny Fiarovana Angon-drakitra, mila mametraka ny fandraisan'ny besinimaro anjara amin'ny famolavolana izany lalàna izany ny governemanta, araka ny voalaza ao amin'ny Andininy faha-21 amin'ny Lalàm-panorenana. Amin'izany fomba izany no ahafahana mamantatra sy mampiditra ny hevitry ny vahoaka ao anatin'ny volavolan-dalàna. Noho izany, dia ho azo atao ny mamorona Lalàna Fiarovana Angon-drakitra izay mahafeno ny fetran'ny fiainana manokana araka ny vinavinan'ny Tanzaniana, izay afaka miatrika ireo olana lehibe voamarika sy navoitran'ireo mpikatroka zo nomerika, toy ny tamin'ny nampiharan'ny governemanta ny programa ID Nomerika ,  ary ny hetsika fisoratana anarana karatra SIM biometrika .
https://mg.globalvoices.org/2023/01/12/161976/
Antso hisian'ny hetsika amin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny mpifindra monina: Atsaharo ny asa an-terivozona, avereno indray ny masoivohon'ny mpiasa
2023-01-12T08:33:36
Unknown
Asakanton'i Mariam A., fampiasàna nahazoana alàlana. Nabaribarin'ny fiadiana izay ho tompondaka erantany amin'ny baolina kitra natao tany Qatar indray ireo tena zavamisy momba ny zavatra sy fepetra iainan'ireo mpiasa mpifindra monina ; nipongatra ireo tantaram-pamonoana, fandratràna sy fepetran'asa mampidi-doza niainan'ireo izay nandray anjara tamin'ny fananganana ireo fotodrafitrasa nentina nankalaza ilay hetsika. Novinavinain'ny gazety britanika The Guardian ho nisy 6.500 ireo mpiasa mpifindra monina no maty tato anatin'ny folo taona farany, nanomboka tamin'ny nanolorana ny fiadiana ny ho tompondaka erantany. Ity tatitra ity dia misarika ny saina indrindra indrindra ho amin'ireo olana goavana mifamatotra amin'ny fanararaotana ireo mpiasa mpifindra monina, ataon'ireo mpampiasa, na fanjakana izany, na ny tsy miankina ihany koa. Na izany aza, ny tsindrimpeo napetraka tamin'ireo mpiasa nandray anjara tamin'ny asa fanorenana dia nahatonga ny tsy fahitàna teny amin'ny fanehoankevitry ny vahoaka ny vondrona iray hafa manana ny lanjany : ireo mpiasa an-trano mpifindra monina. Ireo mpiasa avy any atsimo sy atsimo-atsinanan'i Azia ary Afrika no mandrafitra ny efa ho 17% amin'ireo mpifindra monina miisa 41,4 tapitrisa ao amin'ireo firenena any amin'ny Gôlfa, ny ankamaroany dia eo amin'ny sehatry ny asa an-trano no mahita asa. Qatar  fotsiny no efa ahitàna 1,8 tapitrisa amin'ireny mpiasa ireny. Ny Andro Erantany ho an'ny Mpifindramonina dia fotoana iray mety hanaovana fangatahana handravàna ireny olana ara-drafitra ijoroan'ny fanararaotana atao amin'ny mpiasa ireny no sady hisarihana ny saina ho amin'ny famerenana indray ny masoivohon-dry zareo. Ny rafitra Kafala dia rafitra fitantanana ny fifindramonina mifototra amin'ireo fepetra fampanaovana asa an-terivozona, izay mandrindra ny fifanarahana asan'ireo mpifindra monina any amin'ny ampahany lehibe indrindra amin'ireo firenena ao amin'ny Gôlfa, afa-tsy Iràka. Ampifamatorin'ilay rafitra ny asa sy ny fepetra fifindrana monina ho an'ireo mpiasa, ary ny fahalalahan'ireo mpiasa hivezivezy, izay mampiely ny asa an-terivozona sy mamotika ny asan'ny masoivohon'ireo mpiasa. Ny Kafala no ohatra lafatra indrindra itarafana ny rafitra fanomezana fahazoandàlana feno fanararaotana sy teritery  izay mitantana ny asa vonjimaika na mifamatotra amina toejavatra hafa, mahatonga ny fisiana toedraharaha tahaka ny fanondranana an-tsokosoko (famarotana) ireo mpifindramonina. Notondroin'ny Global Alliance Against Traffic in Women (GAATW) – fikambanana erantany miady amin'ny fanondranana an-tsokosoko ny vehivavy – ireo endrika fanararaotana sy fepetran'asa an-terivozona avelan'ny fisian'ilay rafitra feno fanararaotana sy teritery hahazo vahana any amin'ireo firenena toa an'i Etazonia , ohatra. Eo ambanin'ilay rafitra Kafala, azo roahana ireo mpiasa mandao ny asany tsy nahazo alàlana vita soratra avy amin'ny mpampiasa azy ireo. Mijanona ho miankina tanteraka amin'ireo mpampiasa azy ihany koa ireo mpiasa raha hanavao ny fahazoandàlany, izay manafoana ny zony hamaritra izay toerana tiany hiainana na hiasàna. Midika izany fa kely ny fahafahan'ireo mpiasa hihetsika mba hahitàna safidy hafa hialàny amin'ny karama na fepetran'asa tsy mendrika. Fanampin'izany, matetika ireo mpiasa no iharan'ny halatra karama, ny tsy fandoavana karama ary ny fanaovana asa tafahoatra tsy ahazoana fialantsasatra isan-kerinandro na ireo fotoana fiatoana mahazatra mandritry ny andro. Anatina toejavatra marobe, eo am-pahatongavana dia giazan'ireo mpampiasa ny antontan-taratasy mombamomba ny tena, toy ny pasipaoro, ary feperany ny fahafahana mampiasa telefaona ka mampikatso ny fifandraisana tamin'ny fianakaviana, izay mangeja mafy tokoa ny fahaleovantenan'ireo mpiasa. Amin'ny toetoetry ny asany ataon-dry zareo any an-tokantranon'ireo mpampiasa azy dia ireo mpiasa an-trano no tena marefo. Manoloana ny kolontsain'ny tsimatimanota manodidina ny fanararaotana tahaka izany sy ny fanenjehana ho nanao heloka bevava atao an'ireo mpiasa « mandositra » ny tranon'ireo mpampiasa azy, dia tsy manana tamberin'andraikitra mihitsy na kely aza ireo mpampiasa. Ny fanadihadiana iray teny ifotony notontosain'ny Egna Legna , fikambanana iray ivondronan'ireo mpiasa mpila ravinahitra, izay ny foibeny dia ao Libanona, dia nahita fa ny 68% amin'ireo mpiasa efa ho arivo nofantenana avy amin'ireo mpiasa an-trano ao amin'ilay firenena no farafaharatsiny nisedra toedraharaha niainana fanorisorenana ara-nofo. Ireo mpampiasa no ankamaroany (70% amin'ireo tranga voatatitra), fa misy ihany koa ireo namana sy olona ao anatin'ny ankohonan'ilay mpampiasa (40%). Sakanana ireo mpiasa tsy ho afaka hanatona fitsaràna, amin'izy ireny dia misy vitsivitsy ireo mpiasa izay namaly ilay fanadihadiana no efa nanatona ireo mpampihatra lalàna kanefa dia noroahana na nilazàna mba hitandrina na handositra mihitsy. Ny fanararaotana mihoa-pampana, nefa zara raha ahitàny fanohanana avy amin'ireo manampahefana eo an-toerana, fanampin'ny fanokanana azy tsy hifandray amin'ireo fianakaviana, dia misy fiantraikany henjana amin'ny fahasalamana ara-tsain'ireo mpiasa : olona marobe tamin'ireo nohadihadiana no nihevitra ny handratra tena na hamono tena. Zavamisy iray hafa manaitra ny finoanoampoana sy ny fanararaotana atao an'ireo mainty hoditra mpifindramonina. ireo mpiasa mpila ravinahitra avy amin'ny faritra afrikàna no mitatitra amintsika hoe mizaka endrika herisetra isankarazany ry zareo, ara-batana, amin'ny fitenenana ary ara-pananahana, ary tsy tapaka izany raha mitaha amin'ireo mpiasa avy amin'ny firenena hafa. Mitàna anjara toerana amin'ny fitomboan'ny faharefoan'ireo mpiasa ihany koa ny rafitra fifindramonina any amin'ny firenena niaviany. Ao Etiopia, ohatra, voaràra ny fandefasana mpiasa an-trano ho any amin'ireo firenena ao amin'ny Gôlfa, na dia mbola manohy manangona sy mampiantrano azy ireny amin'ny fomba tsy ara-dalàna aza ireo mpandefa mpiasa. Voatery miditra amin'ny fakàna fahazoandalana hitsidika, araka izany, ireo mpiasa  te-hiditra any amin'ireo firenena ao amin'ny Gôlfa, ary mijanona ela kokoa noho izay fe-potoam-piasany voalaza ;  izay mametraka azy ireo hiharan'ny fanararaotana goavana ataon'ireo mpanangona mpiasa, mpampiasa ary ireo manampahefana ao an-toerana. Manamarika ny GAATW fa ny fametrahana ireo pôlitika mamepetra ny fahafaha-mivezivezin'ireo vehivavy ho toy ny fanamarinana entina mampihena ny fanondranana olona, dia manosika ireo mpiasa hitodika any amin'ny làlan'ny tsy ara-dalàna mba hifindràna monina. Ho an'ireo vehivavy mpila ravinahitra, ny fifindramonina dia afaka manome tsy fiankinan-doha , satria ny safidim-pivelomana noraisin-dry zareo tany amin'ny firenena niaviany dia mety ho voafetra vokatr'ireo fenitra ankapobeny sy singa hafa. Ilaintsika ny fisiana rafitra mpiaro ny mpiasa, mihoatra lavitra noho ireo rafitra izay mikendry ny hampitsahatra ny fifindramonina mihitsy. Qatar no lasa firenena voalohany nanisy fanovàna ny rafitra Kafala tamin'ny 2020, ka tanjona tamin'izany ny hampihenana ny fangejàna tanteraka ananan'ireo mpampiasa amin'ny fepetra apetraky ny lalàna amin'ireo mpiasa mpila ravinahitra ao amin'ny firenena. Alohan'ny hifindràny asa na hialàny amin'ny asany, tsy voatery intsony hahazo sertifikà famotsorana avy amin'ny mpampiasa azy ireo mpiasa ao Qatar, raha mbola mitoetra kosa izany ho an'ireo any amin'ny firenena hafa. Ireo fanavaozana dia nametraka ihany koa ny karama farany ambany ho an'ireo mpiasa rehetra, izay mametraka an'i Qatar ho lasa firenena faharoa ao amin'ny Gôlfa, aorian'i Kôety, manana fepetra momba ny karama farany ambany. Tamin'ny 2017, lany tao amin'ny firenena ihany koa ny lalàna iray mifehy ireo mpiasa an-trano, miaraka amin'ireo andàlana momba ny fifanarahana asa, ny ora fiasàna ary ny fisotroan-dronono. Kanefa, araka ny nanipihan'ny Federasiôna Iraisampirenen'ireo Mpiasa an-Trano azy, mbola tsy manjary ny fampiharana ireny lalàna sy fanavaozana ireny : mihoatra ny antsasak'ireo fangatahana hiova asa no mbola midona amina fandàvana. Nandefa antso tamin'ny governemantan'i Qatar  ilay sendikà mba hiasàny miaraka amin'ireo vondrona mpiasa mpila ravinahitra hahafahana mampihatra ireny fanavaozana ireny. Ny fikambanan'ny mpiasa no iray amin'ireo fitaovana fototra ho entina manapaka ireo tsingerin'ny fanararaotana sy ny fampisarahana amin'ny fianakaviana. Ireo sendikà sy ireo fikambanana tsy ara-dalàna misy ireo mpiasa dia nahavita nanamafy ny toerany raha ny rafitra Kafala kosa mandà izay rehetra mety ho fananganana fikambanana. Mbola tsy vitan'ireo sendikà ny misoratra sy mahazo ireo zo hifampiresahana miaraka na eo aza ny fahatsiarovan-tsaina eny anivon'ny samy mpiasa sy ireo fanomezana ny tolotra fototra tena ilainy, toy ny fisoloana tena ara-dalàna sy ny fiatrehana ny krizy. Any amin'ny ankamaroan'ireo firenena ao amin'ny GCC sy ny rafitra marobe momba ny lalàna manerana izao tontolo izao, voahilika tsotra izao tsy ao anatin'ny rafitry ny lalàna momba ny asa sy ny fiarovana sôsialy ireo mpiasa an-trano. Misy ireo làlana sy fitaovana mazava hamerenana ny masoivoho sy ny fahamendrehan'ireo mpiasa. Voalohany indrindra, ny fanavaozana sy ny fanafoanana ny rafitra Kafala dia ilaina mba hamahàna ny fepetra fifindramonina ao anatin'ny fepetra momba ny asa. Tsy maintsy ampidirina ao anatin'ny rafitry ny lalàna nasiônaly ireo mpiasa an-trano, miaraka amin'ny fiarovana sahaza hahazoana ny karama farany ambany, ny ora ary ireo fepetra iasàna sy ny fiarovana sôsialy. Ireo mpiasa an-trano dia tsy maintsy ihany koa atao hita ao anatin'ny lalàna nasiônaly momba ny sotasota ara-nofo, toy ilay lalàna 205 ao Libanona, izay vao nankatoavina tsy ela akory mba hiarovana ny mpiasa amin'ny herisetra any amin'ny toeram-piasàna, saingy izany tsy manome antoka fanampiny hiantohana ny fiarovana ireo mpiasa an-trano. Ny dingana faharoa amin'ilay fanavaozana dia tokony hifantoka amin'ny fifindramonina any amin'ireo firenana niaviana, ao anatin'izany ny fanesorana ireo fandraràna feno fanavakavahana amin'ny resaka fifindràna monina, ireo fandaharanasa fampiatiana natao ho an'ireo mpiasa miverina mody sy ny fanaovana sonia ny fifanarahana iombonana mba hiarovana ny zon'ireo mpiasa. Ireo fitakiana hafa azo raisina dia ny fanampiana ireo mpiasa iharan'ny fanararaotana, mandalo amin'ireo masoivoho eo an-toerana any amin'ny firenena niaviana, sy ny fidirana amin'ny fitsaràna amin'ny alàlan'ireo manamboninahitry ny pôlisy nofanina momba ny resaka lalànan'ny asa . Zavadehibe ny fankatoavana ireo fenitra iraisampirenena momba ny fifindramonina, isan'izany ny fifanarahana tamin'ny 2014 momba ny asa an-terivozona tamin'ny 1930 sy ny Fifanarahana 189 momba ireo mpiasa an-trano ary ny 190 momba ny fanafoanana ny herisetra sy ny fanorisorenana. Ambonin'ny zavatra rehetra dia takian'ireny fanavaozana ireny ny fialàna amin'ireo rafitry ny fifindramonina mikendry ny hanasazy fotsiny ireo mpiasa mandositra ireo fepetra ara-toekarena manimba, ka lasa mamonjy ireo rafitra mampiroborobo ny làlana azony antoka ho amin'ny fifindramonina tsara antoka sy mamerina ny asan'ny masoivohon'ny mpiasa.
https://mg.globalvoices.org/2023/01/08/161743/
Ahoana ny nidiran'ny Lionan'i Atlas an'i Maraoka ho ao amin'ny tantara tamin'ny mondialy 2022
2023-01-08T04:50:27
Unknown
Afisin'ny lalao football ifanandrinan'i Espaina sy Maraoka. Niavian'ny sary: Jernej Furman. Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0) Niditra tao amin'ny tantaran’ny fiadiana ny tompondaka erantany 2022 tany Qatar ny Lionan'i Atlas. Tsy amin'ny maha-firenena afrikanina voalohany tafita hiatrika ny manasa-dalana amin'ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany FIFA ihany no vitan'ny ekipam-pirenen'i Maraoka fa amin'ny maha-ekipa tokana avy amin'ny firenena Arabo nahatontosa izany dingana izany ihany koa. Tafaraikitra mandrakizay ao an-tsain'ireo mpankafy baolina fandaka eran-tany izy ireo tamin'ny 10 Desambra 2022. Efatra andro taty aoriana, nifanandrina tamin'i Frantsa, tompondaka erantany, ry zareo. Na dia teo aza ny fahareseny tamin'ny lalao 2-0, dia hita fa iray amin'ireo ekipa tsy mivadibadika be ihany avy any Afrika izy ireo – tamin'ny lalao enina nisehoany nandritra ity fiadiana ny amboara eran-tany ity. Ankoatra izay tsy fiovan-toetra izay dia nanome ireo lalao manaitra indrindra ihany koa ry zareo. Ry zareo no nandrombaka ny laharana voalohany teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, nandresy ireo ekipa eoropeanina sangany, Espaina sy Portiogaly , mba ho tafakatra amin’ny manasa-dalana. Tsy vao sambany no nanoratra tantara ny Lionan'i Atlas. Tamin'ny taona 1970, ny Atlas Lions no ekipa afrikanina voalohany nanao ady sahala 1-1 tamin'ny mondialy nifanaovany tamin'i Bolgaria. Tamin'ny taona 1986 ry zareo no ekipa afrikanina voalohany tafakatra amin'ny dingana ampaha-16-dalana tany Meksika. Ny ekipa no voalohany tao amin'ny vondrona rehefa nandresy an'i Portiogaly, nanao sahala tamin'i Angletera sy Polonina. Alemaina (Andrefana) avy eo no nanintsana azy ireo saika ho tafiditra hanao dingana famaranana. Teo anelanelan'ny taona 1986 sy ny taona 2022, in-telo tafiditra hanao mondialy ny Lionan'i Atlas na dia ratsiratsy ihany aza ny vokatra. Tamin'ny taona 1998 ihany koa ry zareo no nalaza ratsy ho ekipa afrikanina voalohany namono tena tamin'ny alàlan'i Youssef Chippo tamin'ny lalao nifanaovana tamin'i Norvezy nifarana ady sahala 2-2. Midika izany fa tsy nisy ekipa nahafaty baolina tamin’izy ireo tamin’ny lalao mahazatra tamin’ny lalao manasa-dalana tamin’i Frantsa. Nitohy hatrany amin'ny dingana manasa-dalana amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'izao fotoana izao ny fiarovan-tena matanjaka sy ny ao afovoan'ny kianja. Nandresy fito tamin’ny lalao valo ny Liona, ary nanao ady sahala iray. Talentan'ny any ampielezana sy ny ao an-toerana Morocco at the World Cup by Александр Подгорчук is licensed under CC BY-SA 4.0. Tontosan'ny ekipa maraokana ireo zava-bita ireo tamin'ny alàlan'ny fanambatambarana ireo mpilalao marobe avy any an-toerana amin'ireo mpifindramonina maro manan-talenta mpanafana lalao. Miisa 14 ireo mpilalao nandrafitra ny ekipa nahitana isan'ny mpilalao be indrindra tsy teraka tao amin’ny firenena niaviany. Ireto farany no mandrafitra ny ankamaroan'ny ekipa ahitana an'i Romain Saiss , kapitenin'ny ekipa teraka tany frantsa, Hakim Ziyech , kapiteny lefitra teraka holandey, i Sofyan Amrabat teraka tany Holandy ihany koa. Tsara ny milaza fa avy any am-pielezana ihany koa i Walid Regragui , mpanazatra amin’izao fotoana izao, taratry ny fangaron’ny mpilalao sy ny kolontsain’ity firenena afrikanina tavaratra ity. Misy ireo mpilalao hafa teraka tany amin'ny firenena toa an'i Belzika, Canada, Italia ary Espaina. Ao amin'ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe ‘ Lionan'i Atlas: nahita tanindrazana ao amin'ny ekipa hanao mondialy ao Maraoka ireo mpilalao am-pielezana ‘ ao amin'ny The New Arab, voamarika hoe: “Maro amin'ireo kintana ankehitriny no vokatry ny fanentanana fandraisana mpiasa izay nahazo hery tamin'ny taona 2014. Saingy misy ny manamarika fa tsy ho nahomby izany raha tsy mampanahy ny mpilalao maro ny fanilikilihana sy ny fanaovana anjorom-bala ara-tsosialy. Tamin'ny taona 2020, namoaka fanazavana momba ny fahafahan'ny mpilalao iray hilalao amin'ny ekipa solontena ny FIFA. Nitady izany izy ireo mba “hanazavana ny fitsipika momba ny fahafahan'ny mpilalao iray hilalao amin'ny ekipa nasionaly amin'ny baolina fandaka iraisampirenena.” Ilaina koa izany ho an'ny fikambanan'ny baolina fandaka nasionaly izay mandrafitra ireo mpikambana ao amin'ny FIFA, ho an'ny mpilalao ary ny vahoaka manana fahatakarana ity olana momba ny fahazoana alalana ity. Nolazain'izy ireo fa anisan'ny fahombiazan'ny ekipa Maraokana ny fanatrehan'ny ray aman-drenin'ny mpilalao sasany . Rehefa nandresy an'i Espaina, nanatona ny reniny tamin'ny famihinana izay nihanaka haingana tao amin'ny Instagram i Achraf Hakimi, fiarovana ao amin'ny Liona; A post shared by Achraf Hakimi (@achrafhakimi) Mety ho sabatra roa lela ihany koa anefa ny fitomboan'ny mpilalao am-pielezana ao amin'ny ekipa Maraokana. “Amid rising nationalism sentiments in Europe, many diaspora players are overly criticized just for the fact of being of foreign descent,” Amer Zenbaa, a Moroccan journalist said. “Ao anatin'ny firongatry ny fitiavan-tanindrazana any Eoropa, maro ireo mpilalao am-pielezana no voatsikera be loatra noho ny maha-vahiny azy ireo”, hoy i Amer Zenbaa, mpanao gazety Maraokana. Firotsahan'ny fanohanana Nidera ny ekipa Maraokana noho ny zava-bitany manan-tantara i Usher Komugisha, mpandinika baolina fandaka sy fanatanjahantena hafa miara-miasa amin'ny Al Jazeera mitantara ny fanatanjahantena afrikana : HISTOOOORRRYYYYY!!! 🎉🎉 Morocco are in the SEMIFINALS. First African and Arab team to qualify to the last four of the World Cup. What an incredible story of hope, resilience and hard work. Dima maghrib. pic.twitter.com/5ciNNXa0Pj — Usher Komugisha (@UsherKomugisha) December 10, 2022 TANTAAARAAAAA! 🎉🎉 Ao amin'ny MANASADALANA i Maraoka. Ekipa afrikanina sady arabo voalohany tafita ho iray amin'ireo efatra farany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany. Tena tantara tsy mampino momba ny fanantenana, ny fikirizana ary ny asa mafy. Dima maghrib. Nisioka i Statman Dave, izay mpanao antontanisa momba ny baolina fandaka ao amin'ny Sky Sports, BBC, ary fantsona ara-panatanjahantena lehibe hafa, matetika mizara antontanisa momba ny baolina fandaka ao amin'ny Twitter: Morocco are only the 3rd team from outside South America and Europe to reach a World Cup Semi-Final: 🥇 USA – 1930 🥈 South Korea – 2002 🥉 MOROCCO – 2022 Huge achievement. 👏 pic.twitter.com/iAHgwgeeCO — Statman Dave (@StatmanDave) December 10, 2022 I Maraoka no ekipa faha-3 ivelan'i Amerika Atsimo sy Eoropa tonga manasa-dalana amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany: 🥇 Etazonia – 1930 🥈 Korea Atsimo – 2002 🥉 Maraoka – 2022 Fahombiazana lehibe. 👏 Ny kaonty Twitter ofisialin'ny FIFA dia midera ny fandresena manan-tantara an'i Maraoka ho toy ny “fotoana iray teo amin'ny tantara”: A moment in time A moment in history The FIRST-EVER African nation to reach a #FIFAWorldCup Semi-Finals ❤️ pic.twitter.com/SeAOKngZna — FIFA World Cup (@FIFAWorldCup) December 10, 2022 Fotoana fohy Fotoana iray teo amin'ny tantara Firenena afrikanina voalohany tonga amin'ny lalao manasa-dalana Kaonty Twitter mpandoto rindrina iray maka ny lafiny mahatsikaiky amin'ny resaka baolina fandaka, indrindra amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany ankehitriny, no nitantara ny zava-bitan'i Maraoka: Morocco in the World Cup pic.twitter.com/3qlqxvrwwV — Troll Football (@TrollFootball) December 14, 2022 Maraoka amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany Resy tamin'ny isa tery 2-1 ny ekipa Maraokana, tamin'ny 17 desambra, raha nifanandrina tamin'ny ekipa Kroaty, ka niafara teo amin’ny laharana fahefatra, ka nampiditra indray ny ekipa Afrikanina ho ao amin'ny bokin’ny tantara. Ny fzavabitan'ny Lionan'i Atlas no hanome fahatokisana ireo ekipa efatra fanampiny andrasana hisolo tena an'i Afrika amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany 2026 hiarahan'i Canada, Meksika ary Etazonia ampiantranoana . Hahatonga ny fitambaran'ny solontena (Afrikana) ho sivy izany ( na 10 raha misy firenena iray hafa mahafeno fepetra amin'ny alàlan'ny fanintsanana fanampiny atolotry ny FIFA ). Firenena 48 niainga avy tamin'ny 32 amin'izao fotoana izao no hifaninana amin'ny taona 2026.
https://mg.globalvoices.org/2022/12/24/161269/
Mpianatra Nizeriana nosamborina taorian'ny fiantsoana ny Vadin'ny Filoham-pirenena ho ‘matavin'ny kolikoly’ tao amin'ny Twitter
2022-12-24T03:14:08
Unknown
Ny Vadin'ny Filoham-pirenena ao Nizeria Aisha Buhari tamin'ny hetsika teo aloha . Sary . Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0) Tamin'ny 18 Novambra, nosamborin’ny polisy Nizeriana ny mpianatra iray 24 taona ao amin'ny famaranan-taonan'ny Fitantanana ny Tontolo Iainana sy ny Fianarana momba ny zavamahadomelina (toxicologie) ao amin'ny Oniversite Federalin'i Dutse, antsoina hoe Aminu Adamu Muhammed, noho ny sioka voalaza fa fanalam-baraka nalefany tamin'ny volana Jona. Nalefa tamin’ny teny Hausa ilay sioka, izay nalaza be taty aoriana ary nahitana ny sarin'ny vadin'ny filoham-pirenena Nizeriana, Aisha Buhari, ary mivaky hoe, “Su mama anchi kudin talkawa ankoshi,” izay midika hoe “matavin’ny vola be ilay reny.” Manjaka ny kolikoly any Nizeria. Nametraka an'i Nizeria eo amin’ny laharana faha 154 amin'ny firenena 180 ny tatitra momba ny Tondro Fijerena Kolikoly (CPI) 2021 navoakan'ny Transparency International (TI) tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Tsy nahagaga ny maro anefa izany. Ao amin'ny lahatsorany, hoy i Prof. Ebenezer Obadare- manampahaizana momba ny fiarahamonim-pirenena; Many Nigerians know intuitively—that a steady stream of official antigraft rhetoric has hardly made a dent on what many agree is the most formidable perennial challenge to the country’s long-term stability. President Buhari’s sentiment to the effect that “if Nigeria does not kill corruption, then corruption will kill Nigeria,” is widely shared. Maro ny Nizeriana no mahafantatra ho azy fa tsy mampihontsona mihitsy izay heverin'ny maro ho fanamby mitarazoka indrindra hampisy fitoniana maharitra ao amin'ny firenena ny firaondraonan'ny kabary ofisialy enti-miady amin'ny kolikoly. Nozaraina betsaka ny fihetseham-pon'ny Filoha Buhari momba ny hoe “raha tsy mamono ny kolikoly i Nizeria, dia hamono an'i Nizeria ny kolikoly”. Niteraka fanehoan-kevitra ny sioka nahitana olona sasany namela fanehoan-kevitra tao amin'ilay sioka sady nizara sary mampitaha ny haben'ny vatan'i Aisha Buhari taloha sy taorian'ny naha-vehivavy vadin’ny filoham-pirenena azy. Ny andininy faha-391 ka hatramin’ny faha-395 amin’ny fehezan-dalàna famaizana ao Nizeria no milaza ny heloka bevava amin’ny fanalam-baraka ho an'ny fanjakana avaratra sy ny Faritanin'ny Renivohitra Federaly. Manazava ny sazy amin’ny fanalam-baraka ny andininy faha-392 fa “ hosazina an-tranomaizina mandritra ny fe-potoana izay mety haharitra roa taona na mandoa onitra na izy roa miaraka ny olona rehetra manala-baraka ny hafa” Ny famoahana teny mety hiteraka fankahalana, fanamavoana, fanesoana, na manaratsy laza na ny asan'ny olona iray raha ren’io olona io na ny olon-kafa nefa tsy misy fanamarinana no atao hoe fanalam-baraka any Nizeria. Natolotra ny fitsarana ary voampanga ho nanao fanalam-baraka vadin’ny filoham-pirenena i Muhammed tamin'ny Talata teo anatrehan'ny fitsarana tao Maitama Abuja, renivohitry ny firenena. Nampidirin’ny fitsarana am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Suleja ilay voampanga, miandry ny fotoam-pitsarana sy ny fanapahan-kevitra amin’ny famotsorana azy amin’ny alàlan’ny fandoavana onitra. Manan-jo hanana fahalalahana maneho hevitra ny Nizeriana tsirairay, ao anatin'izany ny fahalalahana maneho hevitra sy mandray ary mizara vaovao tsy misy fanelingelenana araka ny voalaza ao amin'ny andininy faha 39 (1) amin'ny lalàmpanorenana . Amin'ny lalàna ao amin'ny firenena momba ny fanalam-baraka, fanendrikendrehana, na fanosoram-potaka manimba ihany izany no manan-kery. Nilaza tamin'ny BBC Hausa ny dadatoan'ilay mpianatra voasambotra, Shehu Baba Azare fa miangavy ny vadin'ny filoha ny fianakaviana mba hamela ny zanany lahy. Nilaza izy fa tsy fantatry ny fianakaviana ny fisamborana raha tsy dimy andro taty aoriana rehefa nilaza ny mpiara-miasa amin'ny zanany lahy fa tsy hita izy nandritra ny andro maromaro. “The next day Aminu called his father and told him that he was arrested and taken to Aisha Buhari in Presidential Villa and he was beaten and detained. He said one of the security gave him his phone to make the call.” “Ny ampitson'iny, niantso ny rainy i Aminu ary nilaza taminy fa nosamborina izy ary nentina tany amin'i Aisha Buhari tao amin'ny Tranoben’ny Filoham-pirenena ary nodarohana sy notanana izy. Nilaza izy fa nanome azy ny findainy mba hiantsoana ny iray tamin'ireo mpiambina.” Niteraka hatezerana tao amin'ny Twitter ny fisamborana an'i Aminu Muhammed noho ny fanesoana an'i Aisha Buhari raha nitaky ny famotsorana azy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona. Nizeriana maro an-jotra no niaro ny famotsorana azy tamin'ny tenirohy #FreeAminu. Namaly ny fisamborana, nanameloka tanteraka ireo sisa ny Amnesty International ary nangataka ny famotsorana avy hatrany sy tsy misy fepetra ilay mpianatra. Amnesty International calls for the immediate and unconditional release of Aminu Adamu Muhammed — a 23–year old student of Federal University Dutse, who was arrested on 8 November 2022 for a tweet alleged to be demeaning to #Nigeria ’s first lady #Aisha Buhari. — Amnesty International Nigeria (@AmnestyNigeria) November 27, 2022 Ny Amnesty International dia miantso ny famotsorana avy hatrany sy tsy misy fepetra an'i Aminu Adamu Muhammed — mpianatra 23 taona ao amin'ny Oniversite Federaly Dutse, izay nosamborina tamin'ny 8 Novambra 2022 noho ny sioka iray voalaza fa manala-baraka ny vadin’ny filoham-pirenena Nizeriana #Aisha Buhari. Nanoritsoritra ny fisamborana an'i Muhammed ho tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana sady manafintohina ilay Nizeriana mpikatroky ny zon'olombelona, ​​Aisha Yesufu. Mampisaintsaina ireo Nizeriana raha olom-pirenena izy ireo na andevo ny fanamarihany feno fahatezerana. Who is Aisha Buhari that an aggrieved citizen cannot talk about? Those of you talking about her so called powers need to ask yourselves whether you are citizens or slaves. Duniya budurwar wawa! https://t.co/StlVZBaGHk — Aisha Yesufu (@AishaYesufu) November 27, 2022 Iza moa i Aisha Buhari izay tsy afaka resahin'ny olom-pirenena sosotra? Ianareo miresaka momba ilay lazaina fa fahefana dia mila manontany tena hoe olom-pirenena ve ianareo sa andevo. Nisioka ny SERAP, vondrona mpiaro ny lalàna tsy mitady tombontsoa hoe “Tsy maintsy mamoaka avy hatrany tsy misy fepetra an'i Aminu Muhammed ny fitondran’i Buhari. Ho hita eo amin’ny fitsarana raha tsy afahana avy hatrany izy.” Nanohana an'i Aminu tamin'ny sioka izay niaro azy ho zava-misy ilay mpanao gazety Nizeriana mpanao fanadihadiana, Fisayo Soyombo. I still don't understand Aisha Buhari's angst. Is it that she hasn't increased in size since her husband's coming to power in 2015, or is it that public office holders aren't fed on tax payers’ (the masses’) money? So where is the lie in Aminu Muhammed's tweet? — ‘Fisayo Soyombo (@fisayosoyombo) November 27, 2022 Mbola tsy azoko ny ahiahin’i Aisha Buhari. Tsy nitombo ve izy hatramin’ny nahatongavan’ny vadiny teo amin’ny fitondrana tamin’ny taona 2015, sa ve tsy voky volan’ny mpandoa hetra (vahoaka) ny mpiasam-panjakana ? Dia aiza ny lainga ao amin'ny siokan’i Aminu Muhammed? Namaritra ny fisamborana sy ny fanafihana an'i Muhammed ho “tsy azo ekena amin'ny fitondrana sivily” ny fikambanam-behivavy maherin'ny 250 ao Nizeria eo ambany fiahian'ny ‘Feminist Womanifesto’. Tao anatin'ny fanangonan-tsonia ho an'ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Nizeria tamin'ny 1 Desambra, nangataka ny famotsorana avy hatrany sy ny fanadihadiana momba ny fanafihana ny mpikarakara ny Womanifesto, Abiola Akiyode-Afolabi. Nilaza i Salihu Tanko Yakasai Dawisu, kandidà ho governora fa “tsy mpampihorohoro i Muhammed ka tokony hohidiana sy lavina tsy hifanerasera amin’ny fianakaviany sy ny mpisolovavany”. Nomelohiny ny “karazana commando amin'ny fakana olom-pirenena tsy misy dingana ara-dalàna” izay nambarany ho “tsy azo ekena,” nanohana ny famotsorana an'i Aminu sady niaiky fa diso izy. Aminu isnt a terrorist that should be locked up & denied access to his family & lawyer, what he did was wrong but what is being done to him is worst. He should be released or charged to court. The commando type of picking up citizens without due process is unacceptable #FreeAminu pic.twitter.com/QuOyyg6eg8 — Peacock (@dawisu) November 29, 2022 Tsy mpampihorohoro i Aminu ka tokony hohidiana sy lavina tsy hifanerasera amin’ny fianakaviany sy ny mpisolovavany, tsy nety ny nataony fa ny zavatra atao aminy no ratsy indrindra. Tokony havoaka izy na tsaraina. Tsy azo ekena ny “karazana commando amin'ny fakana olom-pirenena tsy misy dingana arahina. Ny talata, namoaka fe-potoana farany roa andro ho an'ny Vadin'ny Filohan'i Nizeria mba hamotsorana ilay mpianatra ny Fikambanan’ny Mpianatra Nizeriana Nasionaly (NANS) fizarana Avratra-Andrefana raha tsy izany dia hanao fihetsiketsehana faobe izy ireo hanerena ny famotsorana ilay mpianatra. “The student is due for his final undergraduate exam on 5 December. The student unions, human rights commissions, and civil society organizations will be compelled to march on the streets in solidarity protest across the country until we ensure his immediate release,” the NANS said. “Amin'ny 5 desambra hoavy izao no hanao fanadinana amin’ny taona famaranana ilay mpianatra. Voatery hidina an-dalambe ho fihetsiketsehana firaisankina manerana ny firenena mandra-pamotsorana azy tsy misy hatak'andro ny sendikàn'ny mpianatra, ny vaomieran’ny zon'olombelona, ary ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena” hoy ny NANS. Tsy mbola naneho hevitra ampahibemaso momba ilay olana i Aisha Buhari. Tamin'ny herintaona, nampiato ny Twitter nandritra ny fito volana ny governemanta Nizeriana, nanaisotra ny fandraràna tamin'ny volana Janoary taorian'ny naneken’ny Twitter ny fepetra napetraky ny governemanta, izay manohintohina bebe kokoa ny zon'ny olom-pirenena Nizeriana. Andro maromaro talohan'ny nisamborana an'i Muhammed, nanome baiko ny mpanao hatsikana roa, Mubarak Muhammad sy Nazifi Bala ny fitsarana ao amin'ny fanjakan'i Kano any avaratr'i Nizeria, handoa onitra NGN 10,000 (23 USD) ary kapoka miisa 20 ihany koa noho ny fanalam-baraka ny governora, Abdullahi Umar Ganduje tamin'ny kaontiny TikTok. Nasaina nanadio ny lapan’ny fitsarana mandritra ny 30 andro ihany koa izy roa ireo.
https://mg.globalvoices.org/2022/12/16/161356/
Mitontongana ny fahalalahana maneho hevitra ao Tanzania
2022-12-16T07:05:33
Unknown
Sary tam-pitiavana avy amin'i Ameva Nagaraian Ao Tanzania, zon'ny olom-pirenena tsirairay ny fahalalahana maneho hevitra tahaka izay voarakitra ao amin'ny Andininy faha-18 (1) amin'ny lalàm-panorenana . Simba noho ny fankatoavana sy fametrahana mitohy andiana fepetra famoretana nandritra ny taona maro io zo tsy azo amidy io. Niteraka fanakianana mafy avy amin'ireo mpisehatra amin'ny zo nomerika ny fankatoavana ilay Lalàna tamin'ny 2015 mikasika ny heloka an-tserasera ao Tanzania .  Nihevitra ireo mpiara-miombon'antoka fa hampiasain'ny mpisehatra avy amin'ny fanjakana io Lalàna io mba hisakanana ny zo haneho hevitra anaty tambajotra. Ho amin'izay indrindra,  tsy nila fotoana ela fa Tanzaniana dimy no nampangaina tsirairay ho naniratsira ny filoha teo aloha John Magufuli teo amin'ny tambajotra sosialy (WhatsApp sy Facebook) tamin'ny 2016. Nampiharina indray ilay Lalàna tamin'ny 2021 rehefa nosamborina ny olona efatra noho ny filazana noho ny filazàna azy ireo ho nanaparitaka lainga teo amin'ny tambajotra sosialy nilaza fa narary mafy ny filoha John Magufuli. Tamin'ny 2020, ny ministry ny fampahalalam-baovao Tanzaniana tamin'izany fotoana izany, Harrison Mwakyembe, dia nandany ny Lalàna 2020 mahakasika ny Fifandraisana Elektronika sy ny Paositra –  Fepetra EPOCA (Votoatiny Elektronika) 2020 . Ireny fitsipika mikasika ny votoatiny amin'ny tambajotra ireny dia manome zo tanteraka ny fanjakana hanara-maso ny fifandraisana amin'ny aterineto sy ny media sosialy. Melohin'ilay fepetra ny famoahana honohono sy/na lahatsoratra izay manendrikendrika, manararaotra na manimba ny sata sy ny endrik'i Tanzania (Repoblika Mitambatra) eny anatireo sehatra media sosialy. Araka ilay fitsipika, ny sehatra rehetra mampiantrano io karazana votoaty voarara io dia tsy maintsy takiana aminy, aorian'ny fampandrenesana, ny hilaza amin'ny mpanjifany hanala ilay votoaty voalaza ary ara-potoana ao anatin'ny ora roa. Afindran'io fitakiana io ny andraikitra ho any amin'ireo sehatra, amin'ny fanerenena azy ireo hanara-maso amim-pahavitrihana ny votoatin'ny mpampiasa azy, ary hihetsika haingana mba hanivana sy/na hanaisotra ireo ranty izay mety hampifanolana azy amin'ny Fanjakana. Tamin'ny tafatafa tao amin'ny BBC tamin'ny 2021, namerina ny fanambaràna nataony tany am-piandohan'ny taona ny Filoha Samia Suluhu – hoe “misokatra amin'ny tsikera an-tambajotra” izy. Nomarihany fa ny tsikera dia “zava-dehibe amin'ny fanampiana ny governemanta hamantatra ny eritreritry ny olona, ka noho izany dia tsy ilaina ny fanakanana”. Na teo aza anefa ny kabary tsara lahatra, teo ambany fitondràny, dia tsy nisy fiovana firy ny momba ny fahalalahan'ny aterineto ao Tanzania. Tsy mbola misy nokitihana ireo Lalàna famoretana nankatoavin'ny teo alohany, ary ny fitondran'i Suluhu dia nanohy nanomboka teo amin'ny teboka nitsaharan'ny teo alohany : mamoritra ireo tsikera . Iray volana monja angamba taorian'ny fanomezantokin'ny filoha Suluhu mikasika ny fahalalahana maneho hevitra dia namoaka fanambarana ny ministry ny Atitany, George Simbachawene, nilaza fa nikasa hametraka “rafitra hifehezana” ireo fifanakalozan-kevitra mitohy ao amin'ny tambajotra sosialy i Tanzania ary handray fepetra amin'ireo rehetra izay manararaotra ny sehatra Facebook, Instagram ary Twitter. Nifanehatra tamin'ny fanoheran'ny mpikatroka iray ho an'ny zon'olombelona sady mpampianatra amin'ny anjerimanontolo, Dr. Christopher Cyrilo, ny fanamarihan'ilay minisitra. Tao anaty fanambaràna nataony teo amin'ny Twitter dia nitsikera ny fanamarihan'ilay minisitra i Cyrilo, nilaza fa y hetsika tahàka izao dia hamerina indray ny fisamborana an-keriny malaza ratsy fanaon'ny Fanjakana sy ny fiampangana diso atao amin'ireo tsy mitovy hevitra. Niafara tamin'ny fisamborana an'i Cyrilo izany valinteny izany. Navotsotra izy 72 ora taty aoriana noho ny fitroaran'ny vahoaka. Tamin'io taona io ihany, nosamborin'ny polisy Tanzaniana ny mpanao sariitatra Opptertus Fwema , ny rahalahiny Florence Fwema, ary Robert Mwampembwa, Lehiben'ny Creative Industry Network , fikambanana iray voasoratra anarana ao Tanzania izay miasa amin'ny fiarovana ny sehatry ny famoronana eo amin'ny lafiny politika, fanabeazana, ny miralenta, ny fotodrafitrasa, ary ny fahalalahan'ny zavakanto. Nolazain'ny polisy fa heloka an-tserasera no anaovana fanadihadiana an’ i Fwema. Nosamborina ilay mpanao sariitatra andro vitsivitsy monja taorian'ny namoahany teo amin'ny pejiny Instagram sariitatra iray ara-politika izay noheverin'ny polisy ho nanambàny ny Filoha. Nasehon'ilay mpanao sariitatra ho sahala amin'ny filoha malemy ny Filoha Suluhu arovan'ny Filoha teo aloha Jakaya Mrisho Kikwete. Tohin'ny fisamborana azy, nanjavona tamin'ny fomba mistery ny pejy Instagram-n'ilay mpanao sariitatra. Ny May 2022, mpikatroka iray Abubakar Fambo, filohan'ny Umoja wa Kudai Katiba Mpya Tanzania (UKUKAMTA) , hetsika iray mitaky lalàm-panorenana vaovao, no nalain'ny mpanafika tsy fantatra an-keriny izay heverina ho polisim-panjakana. Malaza amin'ny manakorontana amin'ny fitakiana fanavaozana ny lalàm-panorenana i Fambo. Nitarika hatezeran'ny olona ny fakana an-keriny azy, izay nanao tsindry teo amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny tenifototra #FreeFambo ho famoahana. Tamin'ny Aogositra tamin'io taona io ihany, Jonas Afumwisye, talem-paritry ny Tanzania Railways Corporation (TRC) no voaroaka ary avy eo nosamborin'ny polisy tao Dar es Salaam. Nanohitra ny hetra vaovao mikasika ny fanakalozam-bola mandehandeha napetraky ny governemanta Tanzaniana i Afumwisye. Voalaza fa toa namoaka ny heviny tao anaty vondrona WhatsApp izy. Fanampin'izay, tao anaty taratasy fandroahana izay nozaraina tamin'ny tambajotra dia voampanga izy ho : nanohitra ireo ezaka fanaovam-bakisiny nataon'ny governemanta hiarovana amin'ny valanaretina ao amin'ny firenena ary nanala baraka ny Filoha Suluhu sy ny filohan'ny Parlemanta Tanzaniàna, ny Dr. Tulia Ackson, tany anatin'ireo lahatsorany teo amin'ny tambajotra sosialy (Tsy natao ho hitan'ny daholobe ireo lahatsoratra lazaina ireo). Tao anatin'ny trangan-javatra nomerika iray hafa tsy refesi-mandidy, nosazian'ny Tanzania Communications Regulatory Authority (TCRA) Content Committee, ny fahitalavitra an-tserasera Zama Mpya handoa onitra 2 tapitrisa TZS (800 dolara amerikana) tamin'ny Septambra 2022, noho ny famoahana ny fanehoan-kevitr'ilay Tanzaniana mpanakanto malaza, Afande Sele, mikasika ny saran'ny fifampiraharahana mihoa-pampana amin'ny finday takian'ny governemanta amin'ny olom-pireneny. Nambaran'i Sele fa tsy misy azo anamarinana azy ireo hetra ireo ary any amin'ireo parlemantera ny governemanta no tokony hitaky hetra, satria izy ireny tsy mba mandoa hetra. Ilay lamandy dia nanery ireo sehatra an-tambajotra hiditra tamin'ny fanangonambola teny anaty tambajotra sôsialy, izay niantsoany ireo mpamandrika sy ireo mpanohana mba hanao fanampiana hisahanana ireo sarany napetraky ny TCRA. Mialoha ity sazy napetraky ny TCRA ity, nampanantsoin'i Nape Nnauye, minisitry ny TIC, ny Zama Mpya TV tamin'ny volana May. Tezitra i Nnauye noho ny tatitra tao amin'ilay sehatra nitanisa ny fisondrotry ny saran'ny “data” amin'ny aterineto, tatitra iray izay heveriny fa lainga tanteraka. Nitombo avo roa heny izany fironanan'ny governemanta izany rehefa, tamin'ny volana Oktobra, nampangain'ny tribonaly ao amin'ny faritra Simiyu ao Tanzania i Levinus Kidanabi, tanora iray mpiasa ambony amin'ny antoko CCM eo amin'ny fitondrana, hanefa fito taona an-tranomaizina sy handoa sazy 10 tapitrisa TZS (4 000 dolara), noho ny fanalambaràka ny Filohan'ny Repoblikan'i Tanzania tao amin'ny vondrona WhatsApp. Araka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, nandika ny voalazan'ny Cyber Crimes Act tamin'ny 2015 i Kidanabi tamin'ny fivarotana lainga. Voasazy handoa onitra iray tapitrisa TZS ihany koa i Kidanabi noho ny fisandohana anarana. Manana karatra SIM tsy voasoratra amin'ny anarany izy, mifanohitra amin'ny fitsipika EPOCA 2020 . Maneho ny fahafahan'ny governemanta Tanzaniana manara-maso ny media sosialy sy mamoritra ny zon'ny Tanzaniana haneho hevitra malalaka ireo tranga voafantina ireo, fanitsakitsahana tanteraka ny andininy faha-18 amin'ny Lalàm-panorenana Tanzaniana sy ny andininy faha-19 amin'ny Fanambaràna Maneran-tany momba ny zon'olombelona . Raha te-hahazo tantara misimisy kokoa, azafady tsidiho ny pejin'ny tetikasa Unfreedom Monitor .
https://mg.globalvoices.org/2022/12/15/161525/
Colmena: sehatra media manana loharano misokatra, mampifandray ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra sy ireo indizeny
2022-12-15T05:45:53
Unknown
Sary fanaingoana an'ny Global Voices Nahavoa vondrom-piarahamonina maro ny valanaretina COVID-19, izay mazàna ratsy ny fahafahany mahazo aterineto. Ny sasany aza moa dia tsy maintsy nikatona. Saingy, mba hanamafisany ny fifamatorany, ny firaisankinany, ary ny fizarana ireo fitaovana sy vaovao, dia nitady vahaolana ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra sy ireo indizeny. Colmena (“Toho-tantely”), efitranom-baovao nomerika no sady fampielezampeo, no iray amin'ireny fanàfana ireny, lova iray navelan'ny krizy COVID-19 sy ny onjana fanelezana vaovao diso. Kendreny ny ho habaka ho an'ireo indizeny sy tantsaha mpampita hafatra ary ireo mpanao gazety avy ao Meksika, Goatemalà, Pero, Bôlivia, Ekoatora, Kôlômbia, Brezila, Maraoka, Tonizia, Ganà, Borkina Fasô, ary Kenià. Ny aterineto no iray amin'ireo fotodrafitrasam-pifandraisana izay zara raha hita any amin'ireo faritra ambanivohitra onenan'ireo teratany. Ho an'ny maro, io dia vokatry ny fialangalanan'ny fanjakana sy ny tsindry ataon'ireo kolontsaina manjanaka.  Tsy nitsahatra ireo vahaoka indizeny ny nitady fomba hiatrehana ireo olana iainan-dry zareo isanandro, toy ny tsy fahampian'ny tolotra fototra (herinaratra, rano, fanariana rano, fahasalamàna, fanabeazana) ary ny fotodrafitrasam-pifandraisana (aterineto, làlana). Noho ny maro amin'ireny antony ireny, amin'ny ankapobeny ny asa fanaovana gazetim-piarahamonina eny an-toerana dia atao amin'ny alàlan'ny toby fampielezampeo. Colmena dia tranonkala iray manana loharano misokatra, toerana afaka anaovana ny asa fanaovana gazety tsy ilàna fifandraisana aterineto na zara raha mila izany, ka tanjona amin'izany ny hitazonana ny fifandraisain'ireo vondrom-piarahamonina mandritra ny vanimpotoana isian'ny krizy. Eo anelanelan'ny efitrano fanoratana, ny vondrom-piarahamonina ary ny fitaovana fanapariaham-baovao no toerana misy azy. Izy io dia najoro avy amin'ny famatsiambolan'ny DW Akademie .  Ao Amerika Latina, ny sasany amin'ireo mpikambana ao amin'io tranonkala io dia ny tambajotran'ny media meksikàna REDES , ny toby fampielezampeo avy ao Kôlômbia ( Ocaina ), Goatemalà ( Radio Sayaxché ), Ekoatora ( Remando ), ary marobe avy ao Brezila, ny mpamoaka vaovao noemrika bôliviàna Muy Waso sy ilay ONG tariham-behivavy avy ao Preo ( Unión de Mujeres Aymaras del Abya Yala ). Nitafan'i Global Voices i Adrián López Angulo, izay isan'ny ao anatin'ny fandrindràna ny media Colmena any Amerika Latina. Sendikan'ireo vehivavy Aymara avy ao Abya Yala, Pero. Global Voices (GV): Nahoana no ny anarana hoe “Colmena”  no nosafidiana, ary inona no dikany? Adrián López Angulo (ALA): Es una historia que me gusta mucho y siento que ejemplifica cómo trabaja el proyecto. Se eligió de manera colectiva entre medios de América Latina y África. Cada cuál, después de varias sesiones donde se hablaron de los sueños en los territorios, propuso un nombre que significara su trabajo comunicativo. Se realizó una votación, entre todas las propuestas que surgieron y quedó Colmena. Al final el nombre se toma como metáfora, pero también fue importante a la hora de generar el diseño de la aplicación. Nos identificamos con la diversidad de colmenas que existen en el mundo. No hay sólo una forma de hacer colmena ya que los territorios son megadiversos. Ahora las abejas, y su vital labor de polinización, están siendo afectadas por los monocultivos y la industrialización acelerada que sólo tiene fines económicos. La misma reflexión entra para la comunicación hecha desde, con y para los territorios y comunidades. Existen plataformas e intereses que buscan homogeneizar los discursos, las lenguas y necesidades. Que los medios hayan elegido el nombre “Colmena”, para mí, es una apuesta por la diversidad; por entender que dentro del mundo hay muchos mundos que son necesarios de respetar y cuidar. Adrián López Angulo (ALA): Ny fomba nisafidianana ny anarana dia tantara iray tena tiako tokoa ary heveriko fa mampiako ny fomba fiasan'ny tetikasa. Niaraka nisafidy ilay anarana ireo media avy any Amerika Latina sy Afrika. Taorian'ny fifanakalozan-dresaka momba ny fomba fijery avy any amin'ny tanin-dry zareo, samy nanolotra anarana iray avy ny tsirairay tamin-dry zareo, izay nandika ny asa fampitan-kafatra sahanin-dry zareo. Taorian'ny fifidianana iray natao tamin'ireo tolokevitra rehetra, ny anarana hoe Colmena (“Toho-tantely”) no voasafidy. Mety ho sarinteny no ahatakarana ilay anarana, nefa koa zavadehibe ilay izy rehefa nanefy ny endrik'ilay fampiharana. Ny fahasamihafàn'ireo toho-tantely misy manerana izao tontolo izao no nalainay ho fitaratra. Tsy hoe tsy misy afa-tsy fomba iray no azo andrafetana toho-tantely satria tena tsy mitovy ny faritra rehetra. Amin'izao fotoana izao dia tena voa mafy amin'ny fanaovana voly tokana sy ny fihazakazaky ny fampiroboroboana ny indostria izay tsy mikendry afa-tsy tombontsoa ara-toekarena. Toejavatra tahaka izany no miantraika amin'ny fampitambaovao / fifandraisana natao ho / miaraka ary ho an'ireo faritany sy vondrom-piarahamonina. Misy ireo sehatra sy tombontsoa izay mikatsaka ny hampifanaraka ireo lahateny, fiteny, ary ny filàna amin'ny azy. Heveriko fa ny nisafidianan'ireo haino-vaky-jery ny anarana hoe “Colmena” dia maneho ny fandavantena manoloana ny fahasamihafàna, ny fahatakarana hoe misy fomba fijery marobe mila hajaina sy kolokoloina. GV: Inona no iavahan'ny Colmena amin'ireo media hafa? Radio Ada, avy ao Ganà ALA : Es importante entender que Colmena nace del encuentro y la comunicación entre diversos medios, organizaciones y personas. Colmena busca ser una plataforma, hecha con software libre y open source, para el fortalecimiento de la comunicación comunitaria, popular, alternativa, indígena y un etcétera amplio. Aquella comunicación que surge desde y con las personas que habitan los diversos territorios y buscan aportar a las necesidades y sueños locales. La idea es que la plataforma cuente con las herramientas necesarias para la producción de contenido: “todo en uno”. También, que funcione como un espacio de encuentro, comunicación, traducción y organización entre personas y colectivos que trabajan y luchan por procesos de comunicación que abonen a los diversos territorios; actualmente la plataforma está traducida en seis idiomas. ALA : Zavadehibe ny mahafantatra hoe ny Colmena dia noforonina niainga avy amin'ny fihaonana sy fifandraisana teo amin'ireo media, fikambanana ary olona isankarazany. N atsangana avy amin'ireo rindrambaiko maimaimpoana sy ny loharano misokatra, k atsahan'ny Colmena ny ho sehatra iray hanamafisana ny fifandraisana afaka atao fanolo, malaza, indizeny ary zanatany, fa mbola lavitra kokoa noho izay — ny hoe ny fifandraisana izay maneho ireo olona monina any amin'ireo faritra samihafa ary katsahany ny handray anjara amin'ireo tanjona sy ny filàna ao an-toerana. Ny tanjona ho an'io sehatra io dia ny hoe “ho hita ao daholo ny zavatra rehetra”, ny hanana ireo fitaovana ilaina amin'ny famokarana votoaty. Ary koa, hiasa ho toy ny habaka iray fihaonana, fifandraisana, fandikàna ary fikarakaràna mampifandray ny vahoaka sy ireo vondrona izay miasa sy mitolona ho an'ireo dingan'ny fampifandraisana hitondra tombony ho an'ny vondrom-piarahamonina misy an-dry zareo. Amin'izao fotoana izao ilay sehatra dia voadika ho amin'ny fiteny miisa enina. GV: Inona avy ny olana efa natrehan'ny Colmena ? ALA : Comenzamos en pandemia así que el trabajo a la distancia hace indispensable conexiones estables de internet o de datos móviles; algo que se vuelve complicado por condiciones geográficas, sociales e históricas que viven comunidades rurales e indígenas en el mundo. Lo anterior, más que una problemática, se convierte en una oportunidad en tanto que las comunidades y/o organizaciones pueden decidir sobre la conectividad que necesitan. Mientras las empresas piensan sus aplicaciones desde el interés económico; la mirada de Colmena es más hacia la pluralidad de voces, saberes y conocimientos para los retos globales que vivimos. ALA : Nandritra ny vanimpotoanan'ny valanaretina izahay no nanomboka ilay sehatra, fotoana tena ilàna ny maha-marintoerana ny fikorianan'ny ‘data’ amin'ny finday sy ny aterineto mba hiasàna avy lavitra. Nefa nampanano-sarotra ireny ihany koa ireo fepetra ara-tantara, ara-tsôsialy, ara-jeôgrafika iainan'ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra sy ireo indizeny . Tsy olana ireny, fa lasa fahafahana  manao zavatra raha mbola afaka ny handray fanapahankevitra ihany momba ny endrika fifandraisana ilainy ireo vondrom-piarahamonina sy/na fikambanana. Raha nahita ireny fampiharana ireny ho tombontsoany ara-toekarena ireo orinasa, Colmena indray mahita azy ireny ho toy ny fampiroboroboana ny fahamaroan'ny feo, ny fahendrena ary ny fahalalàna manoloana ireo fanamby erantany atrehantsika. Onjampeo Remando, avy ao Ekoatora GV: Inona avy ireo fototra ijoroan'ity habaka fanaovana gazety ity, na inona no ilaina hidirana ho ao anatiny? ALA : Se requiere como individuo, medio, colectivo y/o comunidad tener interés en crear procesos de comunicación pertinentes y relevantes para sus territorios, no sólo creando contenido, sino también apoyando con la difusión del mismo. De igual modo, tener interés en que Colmena se utilice, cuide y, así, se fortalezca. Una de las grandes enseñanzas del trabajo junto con comunidades rurales e indígenas en América Latina es que cuidar a la comunidad significa participar, aportar y crear. Cuando uno cuida, hace que la comunidad se fortalezca ante riesgos presentes y futuros; cercanos y externos. ALA : Tokony ananan'ny olona iray, fikambanana sy/na vondrom-piarahamonina iray ny fahalianana hamorona dingana fifandraisana mifanaraka sy tena ilain'ny vondrom-piarahamoniny, tsy hoe fotsiny amin'ny famoronana votoaty, fa koa amin'ny fanohanana ny fanelezana azy; ary koa, mba liana amin'ny fampiasàna, fikoloana sy, vokatr'izay, fanamafisana ny Colmena. Iray amin'ireo lesona lehibe amin'ny fiarahana miasa miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina eny ambanivohitra sy ireo indizeny ao Amerika Latina ny hoe “fandraisana anjara, sy famoronana” no dikan'ny hoe “mikolokolo vondrom-piarahamonina”. Rehefa mikolokolo ny olona iray, dia manamafy ny vondrom-piarahamonina eo anatrehan'ireo ambana misy ankehitriny sy hoavy, na akaiky izy ireny na avy ivelany. GV: Inona no fiantraikan'ny Colmena ao anatin'ny tontolo maoderina, any amin'ireo faritra ambanivohitra sy indizeny, ary hatrany amin'ireo toerana izay mampidi-doza ny fahafantarana anao ho mpanao gazety? ALA : Son varios los beneficios, pero me limitaré a señalar dos que me parecen muy importantes. El primero es el asunto de la privacidad, muchos medios utilizan aplicaciones que no son seguras para su trabajo comunicativo; ahí se difunde información sensible. En Colmena se está trabajando para que la información y contenidos de los medios estén resguardados y seguros. El segundo tiene que ver con la organización entre diferentes medios para compartir y crear contenido, con o sin conectividad. Pienso que eso puede tener un impacto positivo, en zonas con baja o nula conectividad, donde diferentes medios, colectivos o personas pueden encontrar en Colmena una plataforma para difundir y potenciar sus luchas y sueños. Colmena es la voz para los pueblos históricamente abandonados, que encontraron en la intemperie, una oportunidad para ser escuchados una vez más. ALA : Betsaka ny tombontsoa, saingy roa ihany no asongadiko amin'ireo tena manan-danja amiko . Ny voalohany dia ny olana momba ny fiainana manokana, satria marobe ireo media mampiasa fampiharana tsy azo antoka ho an'ny fifandraisana, indrindra fa rehefa ireo vaovao saropady no aparitaka. Tanjon'ny Colmena ny hiantoka hoe voaaro tsara ireo vaovao sy ny votoatin'ny media. Ny faharoa dia ny fifandrindràna eo amin'ireo media isankarazany mba hizaràna sy hamoronana votoaty, na misy na tsy misy fampifandraisana. Heveriko fa io dia afaka ny hitondra fiantraikany miabo any amin'ireo faritra zara raha manana na tsy manana mihitsy fifandraisana (connexion), toerana ahitàna ireo media samihafa, vondrona na olona afaka mampiasa ny Colmena ho toy ny sehatra iray hanelezana sy hampahafantarana ny tanjona sy ny tolona ataon-dry zareo. Ny Colmena no feo ho an'ireo vahoaka natao tsinontsinona ka mba ho re indray ry zareo.
https://mg.globalvoices.org/2022/12/16/161260/
Tsy ampy ny sakafo an-tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Ogandà, miakatra ny vidin-tsakafo ary tsy ampy ny famatsiam-bola
2022-12-16T02:55:56
Unknown
Mpitsoa-ponenana Kongoley ao Ogandà. Misoratra anarana ireo mpitsoa-ponenana vaovao tonga any Ogandà avy any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo mba hahazoan'izy ireo filàna fototra toy ny sakafo, fialofana, rano, fidiovana ary fikarakarana ara-pahasalamana. Mamela ireo mpitsoa-ponenana hiasa, hamboly ny sakafony manokana ary hifandray amin'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana ny politikan'i Ogandà momba ny mpitsoa-ponenana. Sary ; Attribution-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-ND 2.0) Matetika i Oganda no deraina noho ny fomba fandraisany misokatra amin'ireo mitady fialokalofana. Mampiantrano mpitsoa-ponenana sy mpitady fialokalofana efa mananontanona ny 1,5 tapitrisa  ny firenena amin'izao fotoana izao, ka avy amin'ny firenena mpifanila vodirindrina aminy any Sodàna Atsimo sy ny Repoblika Demokratikan'i Congo (DRC) ny ankamaroany . Saingy any amin'ireo toeram-ponenan'ny mpitsoa-ponenana any amin’ny tany ngazana avaratr'i Oganda, mihamitombo ny fifaninanan'ny mpampiantrano sy ny vahoaka mpitsoa-ponenana hanovo (fitaovana sy zavatra) . Manampy trotraka ny krizy ara-tsakafo ao amin'ny toeram-ponenan'ny mpitsoa-ponenana ao Ogandà ireo krizy maro sy mifamatotra , anisan'izany ny ny fitotonganan'ny toekarena noho ny valan'aretina COVID-19, ny vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro eo amin'ny famokarana ara-pambolena, ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola avy amin'ireo mpisehatra manan-danja amin'ny maha-olona, ​​ary ny fiakaran'ny vidin-tsakafo manerantany. Miatrika olana amin’ny krizim-pamatsiam-bola vokatry ny fihenan'ny fandraisana anjaran'ireo fanjakana sy sampan-draharaha mpamatsy vola mandritra ny valan'aretina COVID-19 sy ny fiakaran’ny saram-pikarakarana taorian'ny fiakaran'ny vidin-tsakafo vokatry ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia an'i Okraina ankehitriny ny Programa Ara-tsakafo Manerantany (PAM-WFP) – sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny fanomezana sakafo sy ny fihinanan-kanina any amin’ireo tobim-(pialokalofana). Iray amin'ny fiantraikan'izany ny fihenana hatramin'ny atsasany tamin'ity taona 2022 ity ny famatsiana sakafo nozaraina ho an'ireo mpitsoa-ponenana ao Ogandà, izay natao hamaliana ny filana fototra ara-tsakafo fotsiny ihany. Nofariparitan'ny Tale Mpanatanteraky ny PAM David Beasley ho “mahavaky fo” ny fanapahan-kevitra kanefa nilaina mba hitsinjarana indray ny vola efa zara raha misy mba ho an'ireo tena fadiranovana maneran-tany. Efa tamin'iny volana aprily iny, nitatitra ny Mpanara-maso ao Ogandà fa nangataka tamin'ny fomba ofisialy ny hamerenana ny sakafon'izy ireo feno ireo mpitsoa-ponenana ao Bidi Bidi, toeram-ponenan'ny mpitsoa-ponenana lehibe indrindra ao Ogandà: [One] refugee, Ms Esther Lokudu, said food scarcity may make some of them plunge into hunger. “WFP has stopped giving us vegetable oil and has replaced it with cash of Shs5,000. This money is not enough because the prices of commodities have gone high and the money can’t do anything,” she said. Nilaza ny mpitsoa-ponenana [iray], Ramatoa Esther Lokudu, fa mety hahatonga ny olona sasany ho mosarena ny tsy fahampian-tsakafo. “Tsy nanome anay menaka intsony ny PAM ary nosoloiny vola 5000 Shs izany. Tsy ampy io vola io satria efa niakatra ny vidin’entana ary tsy mahavita na inona na inona ilay vola”, hoy izy. Ny tena loza, mety hampisy na handrehitra indray ny fifandirana eo amin'ny mpitsoa-ponenana sy ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano ny krizy ara-tsakafo atrehin'ny mpitsoa-ponenana araka ny nasongadin'ny Global Press Journal. Frank Walusimbi, the associate communications officer at the UN Refugees Agency (UNHCR), says the agency is aware that conflicts may arise when refugees don’t get enough to eat. Food shortages can cause tension and anxiety, which can threaten peaceful coexistence between refugees and host communities, he says. Nilaza i Frank Walusimbi, tompon'andraikitry ny serasera mpiara-miasa ao amin'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana miandraikitra ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR), fa fantatry ny masoivoho fa mety hipoaka ny fifandirana rehefa tsy ampy sakafo ny mpitsoa-ponenana. Mety hiteraka fihenjanana sy tebiteby ny tsy fahampian-tsakafo, izay mety hanohintohina ny fiaraha-miaina am-pilaminana eo amin'ny mpitsoa-ponenana sy ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano, hoy izy. Kely ny fanantenana amin'izao fotoana izao ny amin'ny hitomboan'ny famatsiam-bola amin'ny maha-olona atsy ho atsy ao anatin'ny fitotongan'ny toe-karena maneran-tany izay vinavinaina hiitatra hatramin'ny taona 2023 farafahakeliny ary mety hihoatra aza . Efa mifantoka amin'ny vahaolana lavitr'ezaka manoloana ny krizy ara-tsakafo ao amin'ny toeram-pialokalofana kosa anefa ny sampan-draharaha misahana ny maha-olona sy ny mpiara-miombon'antoka iraisampirenena toa ny Vondrona Eoropeana sy ny fanjakana Ogandey, indrindra amin'ny fanamafisana ny famokarana ara-pambolena eo an-toerana, ny fanamafisana ny fahaiza-manao, ary ny fiarovana ny tontolo iainana . Araka ny filazan'ny Profesora Pamela Mbabazi , filohan'ny National Planning Authority (NPA) ao Ogandà fa ny firotsahana an-tsehatra manangana ny rafitra ara-tsakafo eo an-toerana no otrika ahafahana “miaro an'i Ogandà amin'ny krizim-pamatsiana ara-tsakafo eran-tany tahaka izay iainantsika noho ny COVID-19 sy ny ady Okraina-Rosia; sy ahafahana manodina ny sehatry ny fambolena ihany koa hahatonga an'i Ogandà ho sompitry ny faritra araka ny tokony ho izy, sady hampitombo be ny harin-karem-pirenena sy ny fidiram-bolan'ny tantsaha.” Ankoatra ny tombontsoa azo avy amin'ny fanamafisana ny fanjarian-tsakafo any amin'ny toeram-ponenan'ny mpitsoa-ponenana manoloana ny krizy iraisampirenena hoavy, manokatra varavarana amin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny mpitsoa-ponenana sy ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano ny hetsika mikendry ny rafitra ara-tsakafo eo an-toerana. Efa nampiseho ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin'ny fiarahamonina ny fiaraha-nanatontosa ny hetsika tahaka izao ary heverina fa zava-dehibe ny fananganana rafitra ara-tsakafo nasionaly izay mpitarika ny fananganana fandriampahalemana maharitra any Afrika Atsinanana.
https://mg.globalvoices.org/2022/11/21/161119/
Global Voices, mitady toniandahatsoratra hitarika ny fandrakofam-baovaonay ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara
2022-11-21T18:15:44
Unknown
Sarintany Wikipedia ahitana ny ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay, nampiasàna ny lisansa CC BY-SA 3.0. Raha “eny” no havalinao io fanontaniana etsy ambony io, azonao atao ny mieritreritra hisoratra anarana hitazona ny toeran'ny Toniandahatsoratry ny Faritra Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara . Samy ho andraikitry ny Toniandahatsoratry ny Faritra ny famoahana ireo tantara nosoratan'ireo mpandray anjara mpirotsaka an-tsitrapo ato amin'ny  Global Voices sy fanoratana tantara momba ny faritra. Ireo tantaran'ny Global Voices dia mifantoka amin'ireo lohahevitra toy ny kolontsain'ny aterineto, ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra anaty tambajotra, ny teknolojia sy ny zo nomerika, ny zon'olombelona, ny fahasamihafàna sy ny fisoloana tena, ary ny fahasamihafàm-pitenenana. Ny Toniandahatsoratry ny Faritra koa dia hiasa miaraka amina vondrom-piarahamonina iray marolafy misy ireo mpandray anjara izay manoratra ireo tantara, mizara hevitra ho an'ireo tantara, ary mametraka ny fandaharam-potoanan'ny famoahan-dahatsoratra ho an'ilay faritra, amin'ny alàlan'ny fanolorana hevitra, fizaràna fahalalàna, ary fanomezana fitarihana. Hita ao anatin'ny asan'ny Toniandahatsoratra ny: fitarihana ny fampivoarana ny tarika tomponandraikitra amin'ny alàlan'ny fanaovana tatitra momba ireo firenena miteny sy mampiasa teny frantsay ao Afrika atsimon'i Sahara : fanoratana, fanamarinana ny zava-misy ary fikiràna ireo tantara manasongadina ireo olana tena mavesa-danja sy mahasarika indrindra avy amin'ireo loharano an-tambajotra manana ny lanjany ao amin'ny faritra fanohizana ny fitazonana ny toerana voalohany amin'ny famolavolàna tantara, buzz (fambolena laza) sy fironana manerana ireo media sôsialy sy ny median'olontsotra ao amin'ny faritra famolavolàna angondrakitra iray ahitàna ireo loharano azo antoka sy voamarina eny anaty tambajotra manerana ny faritra fanamoràna ny fivoriana virtoalin'ny trano famoahan-dahatsoratra mba hanangonana sy handrafetana ireo hevitra, ary fitarihana momba izay mitranga ao amin'ny faritra fanatrehana fivoriana sy fandraisana anjara amin'ireo adihevitra iarahan'ny mpiaramiasa avy amin'ny efitranom-baovaon'ny Global Voices sy ireo sakelika hafa fiarahana miasa akaiky amin'ireo media mpiara-miombona antoka mba hisafidianana sy hamerenana manavao ireo tantara arafitra hifanaraka amin'ny mpanjohy erantany, ary fampiroboroboana sy famerenana mamoaka ireo tantaran'ny Global Voices any amin'ireo tranonkala mpiara-miombona antoka. fijanonana hanolo-tena hiaraka amin'ny efitranom-baovaon'ny Global Voices sy ny vondrom-piarahamonina midadasika kokoa mba handray anjara amin'ireo tetikasa iraisam-paritra fiasàna mifanaraka amin'ny iraka sy kolontsaina ary taridàlan'ny vondrom-piarahamonina Global Voices sy ny matoandahatsoratra. Ireo kandidà tafita amin'ilay toerana dia tsy maintsy: manana traikefa fahaizana miteny misosa tsara, manoratra, ary mifampiresaka amin'ny teny frantsay manana traikefa fahaizana miteny misosa tsara, manoratra, ary mifampiresaka amin'ny teny anglisy manana fahaizana voaporofo amin'ny fikarohana sy fanoratana ny vaovao afaka manoratra amin'ny fomba manetsi-po sy fahatakarana tsara momba ireo olana eo an-toerana mba ho an'ny mpanjohy erantany manana fahafantarana tsara ireo olana mifandraika amin'ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay ao Afrika atsimon'i Sahara, ary mahay mandanja tsara ny matoandahatsoratra momba ireo olan'ny faritra manana fahatakarana tsara ireo median'olontsotra, ny media nahazatra, ny fihetsiketsehan'ny  gazety eo an-toerana sy ny media sôsialy, isan'izany ny fahalalàna izay media sôsialy sy ireo feon'ny olompirenena azo itokiana ao amin'ny faritra mahafantatra ny zo nomerika, ny fahalalahana maneho hevitra, ny olana mifandraika amin'ny fikatrohana ary ny fahavitrihana ao amin'ny faritra mahazo aina miaraka miasa amin'ny hafa ao anatina tontolo iray tsy voarindra ara-drafitra, tontolo virtoaly tanteraka manana fahaizana avo lenta momba ny fampiasàna solosaina. manana fahafaha-miditra azo antoka amin'ny fifandraisana aterineto haingam-pandeha . afaka manokana ora 10-15 isankerinandro ho an'ny asan'ny Global Voices afaka manaporofo fandavantena lehibe manoloana ny iraka sy soatoavin'ny Global Voices Hosafidiana manokana ireo mpirotsaka ka mahay ireo fiteny ampiasaina ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara, ankoatra ny frantsay sy anglisy. Global Voices dia fikambanana virtoaly ary maneran-tany. Ny milina manodina ny efitranom-baovaon'ny Global Voices dia tarika iray ahitàna ireo toniandahatsoratra miasa amin'ny ampaham-potoana izay miasa miaraka amin'ireo mpandika lahatsoratra sy mpirotsaka an-tsitrapo manerana ny tany mba hanasongadina ireo tantara sy fomba fijery izay tsy dia misy mpiteny eny anatin'ny media iraisampirenena nahazatra. Tsy misy fepetra ara-jeôgrafika mifamatotra amin'ireo toerana ireo.  Ny Global Voices dia tsy manana birao na foiben-toerana hita maso. Tsy maintsy mahazo aina amin'ny fametrahany ny fandaharam-potoanany manokana sy miasa anaty tontolo virtoaly tanteraka ireo kandidà. Tena mahafaly anay tokoa raha mirotsaka ho kandidà ireo efa mpandray anjara ankehitriny ato amin'ny tetikasa Global Voices. Tapa-potoana no iasàna amin'ilay toerana ary hatao toy ny fifanarahana asa amin'ny mahaleotena (freelance). Raha hirotsaka: Mametraha famintinana fohy sy taratasy filazana fahavononana voasoratra tamin'ny fiteny anglisy ary manasongadina ny asanao sy manazava ny antony mahatonga anao hihevitra fa ianao ilay olona tsara handray io toerana io, alefa amin'ny jobs@globalvoices.org , ka antony soratana ny hoe: Toniandahatsoratra ho an'ny Faritra Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara: ny anaranao . Azafady, ataovy taratasy ampanarahina amin'ny endrika a .doc na .pdf ilay taratasy filazana fahavononana, ankoatry ny fampidirana azy io ao anatin'ny vataben'ny imailaka alefanao. Ny fetra faran'ny firotsahana dia ny 4 Desambra 2022 amin'ny 11:59pm EST (GMT -4) .
https://mg.globalvoices.org/2022/12/09/161390/
Ny fambaboana fanjakana tao Afrika Atsimo, nataon'ny fianakaviana Gupta: lesona momba ny hery pôlitika miasa mangina
2022-12-09T08:07:21
Unknown
Filoha afrikàna tatsimo teo aloha, Jacob Zuma, nandritra ny hetsika iray tamin'ny 2017. Tompon'ny sary: GovernmentZA, Attribution-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-ND 2.0) Fizaràna toerana tany amina ministera, kolikoly sy fanodinkodinana vola — io no fomba nataon'ny fianakaviana Gupta , niraisany petsapetsa tamin'ny filoha tamin'izany fotoana izany, Jacob Zuma, hambaboana an'i Afrika Atsimo tamin'ny alàlan'ny fampiasàna ny ampira ara-toekarena teo an-tànany tamin'ny sehatry ny teknôlôjia, ny harena ankibon'ny tany, ny media ary ny injenieria. Fantatry ny rehetra amin'ny hoe “Fianakaviana Gupta, tamin'ny 1993 ” ireo telo mirahalahy , Atul, Rajesh, sy  Ajay Gupta, dia nanorina orinasa kely misahana ny teknôlôjia tao Afrika Atsimo nandritra ny fifindràn'izy ireo ho ao Afrika Atsimo rehefa avy tany India , ary taty aoriana, taorian'ny nividianany ny petrabola betsaka indrindra tany anatina orinasa isankarazany, dia afaka nampitombo nanaka-danitra ny hareny. Tamin'ny 2016 , Atul Gupta dia nasongadina tao anatin'ny Who Owns Whom (Iza  no Tompon'Iza) – fikambanana iray tsy miankina manao fikarohana mifantoka amin'ny fandraharahana sy ny indostria Afrikàna, ary hatramin'ny hoe olona hafa volonkoditra manankarena indrindra ao amin'ny firenena . Vitan'ity andiana mpirahalahy ity ny naka tombony tamin'ny harena am-pelatànany mba hiasàna mangina tamin'ny alàlan'ny fikolokoloana fifandraisana akaiky tamin'i Jacob Zuma, izay filoha nanomboka ny 2009 mandra-pahatongan'ny fampitsaharana azy tamin'ny 2018. H o takalon'ny fifehezana sy ny fiasàny mangina, efa ela hatramin'ny 2003 ny zanak’ ilay filoha telo aloha no nomena ireo toerana ambony tao anatin'ny vondron'orinasan'ny Guptas, niantohana manontolo ny fampakarambady ary hatramin'ireo trano ao Dubaï. Io dia mitondra mankany amina fanehoankevitra iray matroka kokoa momba ny mety ho fisian'ny fanararaotana ataon'ireo mpanefoefo erantany.  Indrindra indrindra, ny lalàna misy amin'izao fotoana izao sy ireo mpandrafitra ny pôlitika dia toa miasa eo ambanin'ny fiheverana hoe ny olona tahaka izany dia tsy hitsitsy amin'ny fampiasàna ny dindo pôlitikany . Mampihomehy, rehefa jerena ny fanalefahana sitrahan'ireo mpisehatra avy ao an-toerana, rehefa ny fitsabahan'ireo governemanta tsy refesimandidy avy any ivelany no resahana, dia misy andiana lalàna momba ny “ dindon'ny vahiny “ natao hamerana sy hanarahana maso izay rehetra fitsabahana amin'ny pôlitika anatiny atao amin'ny anarana firenena vahiny  amin'ny endrika fampielezana fandisoana vaovao, ny adisisika, ny fanomezana misy ambadika pôlitika ary ny fitsikilovana ataon'olontsotra, vondrona iray, fikambanana iray na orinasa iray — hetsika izay i Shina sy Rosia no tena mpiray tsikombakomba manokana amin'izany. Io no niaingàn'ny fandaharanasan'ny Foreign Influence Registration Scheme an'ny Fanjakana Mitambatra (UK) — natao hiadiana amin'ny dindon'ny vahiny sy ny fitsikilovana mba hiarovana ny fikarohana — izay tokony mahazo ny fankatoavan'ny mpanjaka amin'ny 2023 . Tahaka izany ihany, tamin'ny 2021, natsofok'i Kanadà ny Tolodalàna momba ny Famoronana Rejistry ny atao hoe Dindon'ny Vahiny, noho ny fahatahorany sao ireo parlemantera sy hafa mpanao lalàna ka hisitraka tombony amin'ny fikolokoloana fifandraisana amin'i Shina. Ary araka izany, mamaly ireo lesona azony avy amin'ny Ady Mangatsiaka ny governemanta, dia ny hoe tsy mandrangaranga ady fotsiny intsony ireo fanjakana fa koa amin'ny alàlan'ny hery miasa mangina.  Raha izao tontolo izao efa lasa miha-tonga saina sy matahotra ny hery tsy liberaly miasa mangina avy amin'ireo fitondràna tsy refesimandidy, ny fambaboana fanjakana tao Afrika Atsimo ve no porofo milaza fa tsy ry zareo irery no miasa any an-katokanana any mba hametraka dindo amin'ny pôlitika anatin'ireo fanjakàna liberaly? Raha ny raharaha fihinanana volam-bahoaka ao Afrika Atsimo, dia voarohirohjy anatin'ilay tantara ratsy ny filoha teo aloha Jacob Zuma sy ilay fianakaviana Gupta malaza ratsy. Jacob Zuma niantehitra tamin'ireo torohevitry ny kabinetra mpanome torohevitra erantany Bain and Co . mba hanitsiana ny zotran'ireo andrimpanjakana hifanaraka amin'ny tombontsoan-dry zareo . Orinasam-panjakana dimy amin'ireo lehibe indrindra ao amin'ny firenena no  “ nobaboin-dry zareo “ no sady natsahany ireo sampandraharaha mpanangona hetram-panjakana, SARS .  Ny Kaomisiôna Zondo sy Nugent teraka avy amin'izany dia namboraka fa Rands Afrikàna Tatsimo an-davitrisa no very. Raha maro no nitaraina noho ilay fahaverezam-bola, mbola misy lasa lavidavitra kokoa ny fandrohindrohizana anatina tantara ratsy, isan'izany ny fihisàran'ny toekarena, ny tsy fahavitàn'ny fanjakana miditra an-tsehatra amin'ny resaka fitomboan'ny tsy fananana asa, ny fiharatsian'ny tsy fitoviana sy ny fahantràna, ary hatramin'ny fidinan'ireo fampiasambola vahiny ao amin'ny firenena. Kanefa, misy fahasahiranan-tsaina aty ambadika, dia ny dindo pôlitika tafahoatra . Ny tantara voalohan'ny Financial Times izay nampipoaka ny tantara ratsin'ilay “fambaboana fanjakana” dia nanondro ny fahafahan'ny fianakaviana Gupta manindry amin'ireo fanendrena ho amin'ny toerana ambony. Ny Minisitry ny Tetibola Mcebisi Jonas, niasa ho lefitry ny minisitry ny tetibola ny 2014 hatramin'ny 2016, nanamafy fa ry Guptas no nanolotra io toerana io ho azy.  Fanampin'izay, Des van Rooyen mpikambana ao amin'ny ANC (African National Congress) dia niaiky fa ry Guptas no nankato ny fanendrena azy ho Minisitry ny Tetibola taorian'ireo andro maro nitsidihany im-betsaka ny tranon'izy ireo nialoha ny fanendrena azy. Dia araka izany, toa manana ny teniny ny fianakaviana Gupta amin'ireo fanendrena ho amin'ny toeran'ny minisitra — zavatra iray heverina ho tsy ara-dalàna ho an'ny ankamaroan'ny lalàna rehetra, raha anatin'ny dindon'ny avy any ivelany ataon'ireo fanjakana tsy refesimandidy. Indrindra fa tsy irery ry zareo Guptas amin'ny resaka harena. Ny fitomboan'ny tsy fitoviana sy ny harena tsy voafehy ao anatin'ny fanantontoloana dia niteraka ampahany faran'izay mpanefoefo ao anaty fiarahamonina. Tsy afaka misaraka ny dindo (hery miasa mangina) sy ny vola. Araka izany, ny fahefana tsy voafehy ananan'ireo mpanefoefo ve hiteraka loza mitatao hitera-doza ho an'ny fahitsian'ny politika anatiny sy ny fiandrianam-pirenena? Raha voarohirohy tsotra izao anatina hetsika tsy mifanaraka amin'ny lalàna ny fianakaviana Gupta, isan'izany ny tsolotra sy ny fanaovana kolikoly , ao anatin'ireo vanimpotoana isian'ny  olona ultra-high net worth (UHNW) – mpanefoefo tototry ny hareny, dia azo antoka fa hanaraka ho azy ny dindo mihoatra ny fefy eny amin'ny fitsaràna sy ny pôlitika. Ohatra iray vao haingana tamin'ny fampiasàna ny dindo teny amin'ny fitsaràna ilay fankatoavan'i Elon Musk, tsy ela akory izay, ny antoko Repoblikàna ao anatin'ny fanomanana ny fifidianana any Etazonia. Amin'ny ankapobeny dia sorohan'ireo mpitantana ny teknôlôjia ny fanaovana fanambaràna fiandaniana. Kanefa, i Musk, ilay tompo vaovaon'ny Twitter, dia nampiasa ilay sehatra mba hiarovana antoko iray voafaritra manokana. Marobe ny olona no mankasitraka ilay mpamorona ny PayPal izay manana tomban-karena tsy latsaky ny 200 lavitrisa dolara amerikàna ary angamba manaja ny fanapahankeviny, mihoatra noho ny manampahaizana, mpandalina na mpahay siansa pôlitika salantsalany. Araka izany, ireo olomalaza toa an'i Musk dia manana ny dindony, na mifehy ny fomba fijerin'ny daholobe, tsy ilàna fahaizana manokana amin'ny sehatra iray voafaritra akory. Fa mbola lalina kokoa ilay olana. Manana harem-be ireo Multinational corporations (MNCs) ary, avy amin'izany, ny fahefana. Ireo MNCs dia afaka misafidy ireo firenena manana ny rafitra lalàna sy fitsipika tsara indrindra ahafahan-dry zareo mampitombo ny tombony alainy, ary amin'ny farany dia manimba ny lalàna misy eo an-toerana. Matetika ny vola miditra amin-dry zareo  no avantan'ireny orinasa ireny any amin'ireo orinasa napetrany any amin'ireo paradisan-ketra, toa an'i Soisa, Luxembourg, ny Nosy Cayman, sy Singapaoro — izay miteraka vola dolara amerikàna an-davitrisa maro tsy andoavana hetra any amin'ireo antsoina hoe “ vola miditra tsy manam-pirenena niaviana .” Nanaka-danitra ireo tombony ka mety hihoatra mihitsy ny harinkarena faoben'ireo firenena manerantany. Mipetraka avy eo ny fanontaniana hoe: Manana fahefana, na dia kely aza, amin'ireo mpisehatry ny MNC ve ireo Fanjakana? Ny niafaràny, tena nifanao atsimo sy avaratra tamin'ny an'ireo mpisehatra avy amin'ny fanjakàna vahiny ny toetra nasehon'ireo mpanao lalàna manoloana ireo olona UHNW sy ireo MNCs. Raha lazaina amin'ny fomba hafa,  iretsy voalaza voalohany dia mahazo tombony amin'ny fisalasalàna ary heverina ho toy ny mampihatra ny fifehezantena .  Ilay faharoa kosa voaaramaso sy voafehin'ny rafitry ny fisoratana anarana. Io dia na eo aza ny fahafahan'ireo olona UHNW sy ireo MNCs manefy ny fomba fijerin'ny daholobe, ny adisisika, sy ny fanehoana laharampahamehana sadasada eny anatin'ireo sehatra pôlitika. Ny tena ratsy indrindra fotsiny, voasazy — ireo misafidy ny hividy ny fitaoman-dry zareo amin'ny alàlan'ny kolikoly. Ao Afrika Atsimo, tsy dia azo sainina loatra ny hiovàn'io lalàna io ho entina mandray ireo vonona ny hampiasa ny hareny mba hividianana dindo pôlitika. Ny tolodalàna iray dia tsy maintsy mandalo amin'ny Antenimieram-Pirenena sy ny Filankeivtra nasiônalin'ireo faritàny, dingana iray nolalovan'ny 90 isanjaton'ireo tolodalàna natolotry ny Mpanatanteraka. Io no mahatonga ny hoe tsy dia azo heverina loatra ny hisian'ny fanovàna ireo lalàna miteraka resabe. Toy ny ifehezantsika ny dindon'ireo fanjakana avy any ivelany, tokony ho arindrantsika ve ireo olontsotra sy fikambanana mpisehatra manana dindom-pahefana miavaka amin'ny pôlitika anatiny? Angamba ny karazana rafitra iray fanoratana anarana no mety nanaitra ny fitsabahana aloha loatra tao anatin'ilay tantara ratsin'ny fambaboana fanjakana tao Afrika Atsimo. Tena tomponandraikitra ary tena ilaina ve  hiarovana ny fiandrianam-pirenena – moa ve  fanitsakitsahana ny fahalalahana maneho hevitra, ny zo hanana fiainana manokana, sy ny fahalalahana mivezivezy?  Ho hita eo izay valiny, fa tena mendrika ny horesahana mihitsy satria mitombo ny isan'ireo mpanefoefo manaka-danitra sy ny dindon-dry zareo.
https://mg.globalvoices.org/2022/11/10/160902/
Mandritra ny COP27, miantso hetsika misimisy kokoa i Môzambika, firenena ao Afrika faran'izay marefo indrindra amin'ny resaka toetrandro
2022-11-10T16:05:15
Unknown
2019 no voamarika ho taona nanahirana indrindra tamin'ny tantaran'ny rivodoza tao Môzambika. Sary: Giovana Fleck/Global Voices Miaraka amin'ilay Kaonferansa 2022 an'ny Firenena Mikambana iresahana ny Fiovàn'ny Toetrandro ( COP27 ) izay atao ao Egipta ary marihan'ny fijazakazaky ny fiovàn'ny toetrandro, miha-tafiditra anaty toedraharaha saropady ireo firenena toa an'i Môzambika, izay ara-tantara dia kely monja no mba fandotoana nataony raha mitaha amin'ireo firenena hafa. Môzambika dia heverina ho iray amin'ireo firenena tena mety hijaly indrindra vokatr'ireo zava-mitranga henjana ateraky ny fiovàn'ny toetrandro. Araka ny lazain'ny ONG Alemàna GermanWatch , izay mamoaka isantaona ny Tondro momba ireo tandindon-doza ara-toetrandro Erantany, Môzambika no mitàna ny laharana voalohany ao anatin'ny lisitr'ireo firenena tena marefo indrindra amin'ny fiovaovan'ny toetrandro tamin'ny 2021. Zimbaboe, ireo nosy ao Bahamas, Japàna, ary Malaoi, no mifanesy mameno ireo dimy voalohany ao anatin'ny Tondro 2021, izay manome ny lisitr'ireo firenena tena marefo indrindra manoloana ireo loza voajanahary ateraky ny fiovan'ny toetrandro. Na izany aza, araka ny tatitry ny tombana erantany nomen'ny Firenena Mikambana momba ny Fihenan'ireo tandindon-doza voajanahary, i Môzambika no firenena fahatelo ao Afrika tena marefo indrindra amin'izany. Misy roa ireo tatitra izay samy mampiasa ny angondrakitr'izy ireo manokana avy, nefa koa samy mametraka ny toetra marefo misy an'i Môzambika. Tsy ela akory izay, nihamafy hatrany sy lasa misy matetika ao Môzambika ny rivodoza. Tamin'ny 2019, rivodoza trôpikaly roa natanjaka no namely an'i Môzambika nandritra io vanimpotoana io — sambany hatrizay. Ny rivodoza trôpikaly Idai tamin'ny Martsa 2019 sy ny rivodoza trôpikaly Kenneth, volana iray taorian'izay, dia namoizana aina 600 mahery ary novinavinaina ho olona 2,5 tapitrisa no tra-pahasahiranana. Ny Martsa 2022, rivodoza iray hafa indray no namely an'i Môzambika. Tamin'ity indray mandeha ity dia ny rivodoza trôpikaly Gombe , izay niditra tao amin'ny firenena niaraka tamina tafiotra 165 sy 230 km/ora. Voalaza fa nahafaty olona nihoatra ny 60 izy io. Tsy fahampian'ny valin'ny hetsika momba ny toetrandro Miandry hetsika goavana momba ny toetrandro i Môzambika mba hanampiana ilay firenena hiala amin'ny faharefoany. Noho ny tsy fisian'ny fanampiana iraisampirenena sasany, naharay fandrisika sy hafatra fanehoana firaisankina ilay firenena, toy ny tamin'ny 2019, tamin'ny alàlan'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana: Tamin'ny 2021, nanatevina laharana ireo governemanta avy amin'ny firenena hafa i Môzambika nandritra ny COP26 kaonferansa faha-26 ho an'ny toetrandro, nokarakarain'ny Firenena Mikambana tamin'ny 2021. Raha nandray fitenenana nandritra ilay hetsika, ny praiministr'i Môzambika tamin'izany fotoana izany Carlos Agostinho do Rosário, dia nanolo-tena hanatratra ho 62 isanjato ny fampiasàna angovo azo havaozina hatramin'ny 2030, saingy ny tsy fahampian'ny tohana no napetraka ho toy ny fahasarotana voalohany: Moçambique sozinho, tal como outros países em desenvolvimento, não conseguirá ter os recursos necessários para financiar acções estruturantes para fazer face aos impactos das mudanças climatéricas… Môzambika fotsiny, toy ireo firenena hafa an-dalam-pandrosoana, dia tsy hanana izay ho enti-manana ilaina hamatsiana hetsika manara-drafitra ho entina hiatrehana ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro… Iray tamin'ireo olana niadiana hevitra nandritra ny COP26 ny tetezamitan'ny angovo. Ao ambanin'ilay Fifanarahan'i Parisy momba ny Toetrandro , izay nolaniana nandritra ny COP21, tsy maintsy atsahatra alohan'ny 2050 ny fampiasàna ny arintany ho toy ny loharanon'angovo fandrehitra. Manana toeram-pitrandrahana goavana i Môzambika raha arintany no resahana, ary vao taompolo roa monja izay raha misy, dia milina goavan'ny fampandrosoana tao Môzambika ny arintany, araka izany dia tsy ato anatin'ny fotoana fohy no hialàn’ ilay firenena amin'ny fampiasàna ny arintany. Moçambique prefere uma transição energética para energias mais limpas e amigas do ambiente que seja gradual e faseada, a fim de minimizar o impacto no processo de desenvolvimento económico do nosso país. Omen'i Môzambika toerana kokoa ny fikisahana mizotra miandàlana mankany amin'ny angovo madio kokoa sy manaja kokoa ny tontolo iainana, mba hanamaivanana ny fiantraikany amin'ny zotran'ny fampandrosoana ara-toekaren'ny firenenay. Tamin'ny 2021, Môzambika no lasa firenena voalohany nahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny Banky Iraisampirenena mba hampihenana ny fandefasana entona manafàna ny tany vokatr'ireo fanapahana sy fahasimban'ny ala — ilay antsoin'ny rehetra hoe REDD+. Ny Forest Carbon Partnership Facility (FCPF) dia nandoa 6,4 tapitrisa dôlara amerikàna tamin'i Môzambika noho ny fampihenàny ho 1.,8 tapitrisa taonina ny fandefasana entona karbôna tamin'ny 2021. Ireo vola nomena dia valisoa ho an'ireo ezaka fampihenana ny famoahana entona karbôna amin'ny alàlan'ny ady amin'ny fanapahana sy faharavàn'ny ala. Ny 5 Jona no nankalazaina ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana tamin'ity taona ity, teo ambanin'ny teny faneva hoe, “One Earth for Climate Resilience” (Tany Iray ho an'ny Fizakàna ny Toetrandro), nefa folo taona mahery ilay firenena no niandry ny famatsiambola maitso avy amin'ny Green Climate Fund . Hetsika santatra iray izy io, izay ho an'ireo manampahefana môzambikàna, lasa sarotra notantanina tanaty birao: Moçambique está num processo há quase mais de 10 anos de candidatura do Fundo Nacional do Desenvolvimento Sustentável para aceder aos financiamentos do Fundo Climático Verde, um processo que nós consideramos como muito burocrático, mas pelas últimas informações tudo indica que estamos a passos largos de chegar ao fim… Efa ho 10 taona i Môzambika no tao anatin'ny dingana fangatahana hahazo ilay Famatsiambolam-Pirenena ho an'ny Fampandrosoana Lovainjafy avy amin'ny Green Climate Fund , dingana iray heverinay ho diso biraokratika loatra, saingy araka ireo vaovao farany, ny zavatra rehetra dia toy ny manondro hoe mbola lavitra ny làlana halehantsika mandra-pahita ny farany… Nanoloana io zavamisy io, nolanjalanjain'i Môzambika izay azony tanterahana hiatrehana ireo fiantraika ratsin'ny krizin'ny toetrandro atrehan'ny firenena. Tsy ela akory izay, tamin'ny Oktôbra 2022, nambara ny fananganana ilay tahirimbola maitso ho fanampiana amin'ny fampihenàna ny voka-dratsin'ireo tranga henjana ateraky ny fiovàn'ny toetrandro. Tamin'ny Oktôbra 2022, ny filoha môzambikàna Filipe Nyusi dia niantso ny firenena manerana ny tany, indrindra fa ireo ao amin'ny tanibe afrikàna, mba hihetsika avy hatrany ho fampitsaharana ireo loza mahatsiravina vokatry ny ataon'ny olombelona. Nandritra ireo fankalazàna ny Andro Erantany ho fampihenàna ny tandindon-doza, Nyusi nanao ny kabariny tamin'ny maha-“Tompondakan'ny Firaisambe Afrikàna azy amin'ny Fitantanana ireo Tandindon-doza ao amin'ny tanibe” Araka ny voalazan'ireo gazety ao an-toerana, ny Vovonamben'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fiovàn'ny Toetrandro (COP27) dia hisy fiantraikany amin'ilay Môzambika firenena marefo nefa tsy dia mpandoto akory. Raha nandray fitenenana nandritra ireo hetsika fanomanana nikendrena ny handraisana fepetra iombonana ho arovana ao amin'ny COP27, ny minisitry ny tany sy ny tontolo iainana ao Môzambika, Ivete Maibaze, dia nanitrikitrika fa ny tena sehatra fototra mahaliana ilay firenena dia: ny famatsiana vola mifanaraka amin'izay zavamisy momba ny fiovàn'ny toetrandro; ny Nationally Determined Contribution (NDC)-fandraisana anjara voafaritra eo amin'ny sehatra nasiônaly; ny angovo azo havaozina; ny fampihenana ny entona manafàna ny tany vokatry ny fanapahana sy faharavàn'ny ala, ny fahaizana mifandrindra amin'ny fiovàn'ny toetrandro sy ny fampihenana ny tandindon-doza, ary hatramin'ny olan'ny Miralenta sy ny Fiovàn'ny Toetrandro. Ny governemanta ao Môzambika dia mihevitra ny COP27 ho toy ny dingana iray fanararaotra hahazoana famatsiambola ho an'ny resaka toetrandro, hahafahana manatratra ny fikisahana mankamin'ny zara fa fandefasana entona karbôna, mifanaraka amin'ny taridàlana NDC.
https://mg.globalvoices.org/2022/11/10/160785/
Coca-Cola, ilay mpandoto be indrindra amin'ny fako plastika, manohana ny COP27. Indro ny maha-olana an'izay
2022-11-10T02:41:02
Unknown
Tavoahangy plastika Coca-Cola ao anaty renirano iray. Sary tao amin'ny Wikipedia ( CC BY-SA 4.0 ) Ao anatina asa fanesoesoana goavana, ny Coca-Cola, ilay goavana indrindra mpandoto amin'ny plastika, no mpanohana ny COP27 , ilay kaonferansa lehibe indrindra erantany ho  an'ny tontolo iainana, izay hatao ao Sharm El Sheikh, Ejipta, ny 6 hatramin'ny 18 Novambra. Na dia maro aza no azo tsikeraina mikasika ny fihaonamben'ny COP27 amin'ity taona ity (tahaka ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Ejipta sy ny famoretana ny fiarahamonina sivily), dia tena zava-manahirana tokoa ny fanohanan'ny Coca-Cola ary mety hampihemotra ireo fihetsiketsehana ara-tontolo iainana sy fanoherana ny plastika mihitsy aza. Ny faran'ny volana Septambra , nambaran'i Ejipta ny fanekeny ilay fanohanana ary avy hatrany di noraisin'ny Coke ho dokambarotra miabo izany. Nambaran'ny filoha lefitry erantanin'ny Coca-Cola, tomponandraikitry ny Politika ho an'ny daholobe sy ny Fanohanana, Michael Goltzman, fa : “Noho ny fiarahamiasa amin'ny COP27, ny rafitra Coca-Cola dia mikendry ny hanohana ny hetsika iombonana hanoherana ny fiovan'ny toetrandro.” Saingy ara-drariny ny fanoheran'ireo mpikatroka – ary mitombo ny fanoherana. Disgraceful. Biggest plastic polluter @CocaCola is sponsoring @COP27P 😡 99% of plastics are made from fossil fuels. This partnership undermines the very objective of the event it seeks to sponsor. #BreakFreeFromPlastic #COP27 https://t.co/EILbGYYSzc — Greenpeace (@Greenpeace) September 30, 2022 Mahamenatra. Ilay tena goavana mpandoto amin'ny plastika ,@CocaCola, no mpanohana ny @COP27P 😡 99% n'ireo plastika dia vita avy amin'ny solika fôsily. Manimba ny tena tanjon'ilay hetsika tadiaviny ho tohanana ity fiarahamiasa ity. Ny fikambanan'ny fiarahamonina sivily, Clean up Kenya , dia miantso ity hetsika ity ho “ maharikoriko ” ary nanamarika fa efa ho ny antsasak'ireo fako-na tavoahangy plastika hita ao Kenia dia avy amin'ny Coke avokoa. Ilay Ogandey mpikatroka momba ny Toetrandro sady masoivohon'ny UNOCHA, Nyombi Morris, niteny teo amin'ny BBC fa : “Rehefa ny mpandoto no manjaka amin'ny fifandresen-dahatra mikasika ny toetrandro, dia tsy hahazo vokatra tsara isika. Amin'ny maha-Afrikana mpikatroka ahy, matahotra aho fa mbola ho be lavitra ireo farihinay no ho feno plastika indray.” Ireo mponina amin'ny firenena kely fidiram-bola dia manana rariny ho tezitra amin'ny Coke. Nandany vola an'arivony tapitrisa dolara ilay orinasa goavam-be tamin'ny famoahana ny vokatra avy aminy ho any amin'ireo firenena kely fidiram-bola sy antonontonony, nefa zara raha manao ezaka hahazoana fotodrafitrasa sahaza hitantanana ireo fako miditra. Niaina izany mivantana i Indonezia, firenena iray malaza amin'ny fahalotoana entin'ny plastika. Araka ny voalazan'i Nina van Toulon, mpanorina sady filohan'ny Indonesian Waste Platform . “Mandehana any amin'ny tanàna izay farany lavitra indrindra eto ianao, amina ora maro miainga na aiza na aiza, ary misy rano amin'ny tavoahangy sy Coke. Fa avy eo, doran'ireo mponina ao amin'io tanàna io izany. Manao ezaka amin'ny fanaterana ny vokany mankany amin'ireo tanàna ireo ilay orinasa saingy tsy manao ezaka akory amin'ny fanesorana ireo fako plastika tsy ho ao an-tanàna.” Tamin'ny Oktôbra, niforona ny angon-tsonia iray ao amin'ny change.org nangataka ny ONU mba hanala ny Coca-Cola amin'ny maha-mpanohana ara-bola azy,  ary nahangona sonia maherin'ny 236.000 hatramin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra. Navoakan'ny mpikarakara ity fanambaràna manaraka ity, miaraka amin'ilay fanangonan-tsonia : Solontena tamin'ny COP26 tany Glasgow aho. Nahatsiaro ho diso fanantenana aho matetika – nisy fotoana aho nitomany. Mahavaky fo ny fitsofohan'ireo orinasa ao anatin'ilay fihaonambe – ireo Mpitantana Jeneralin'ny notsongaina avy amin'ireo mpandoto goavana indrindra eran-tany, tsy menatra akory mitaona ireo mpanao politika mba hiaro ny tombontsoany sy hanabontsinana ny tombontsoany, miteny amintsika ny fomba ahafahantsika mamonjy ny planeta raha toa isika mividy betsaka ny entany. Heverina ho fivorian'ireo mpitondra nasionaly ireny kaonferansa COP ireny, manolo-tena ho ao anatin'ireo fifandresen-dahatra maika mba hisorohana ny fiovan'ny toetrandro, fa tsy ho sakafo andaniana dôlara an-tapitrisa ho an'ireo orinasa mpandoto sy ireo mpanao adisisika avy amin'izy ireo. Tokony atsahatry ny UNFCCC  androany ny fandraisana fanohanana avy amin'ireo orinasa – atomboka amin'ny fanilihana ny Coca-Cola amin'ny maha-mpanohana ara-bola ny COP27 azy. Trangana boky mikasika ny fanadiovana ho maitso ataona vondron'orinasa io – afaka manamafy ny marikany ny Coca-Cola ary mampivady azy amin'ny hetsika ara-tontolo iainana, toy ny manome fahatsapàna hoe anisany vahaolana izy fa tsy iray amin'ireo tomponandraikitra goavana nahatonga ny olana. Raha ny marina, ny tatitray ny fitsirihana ho fanamarinana nataon'ny NGO Break Free From Plastic tamin'ny taona 2021 no nampahatsiahy fa ny Coca-Cola no tena goavana indrindra mpandoto amin'ny plastika indrindra eran-tany nandritra ny efatra taona nifanesy. Ary na dia mbola miandry ireo vokatra ho an'ny taona 2022 aza dia azo heverina fa mbola handresy hatrany izy ami'ity taona ity. Tamin'ny taona 2019, niaiky ny orinasa fa nampiasa fonosana plastika 3 tapitrisa taonina tao anatin'ny taona iray. Isantaona dia mamokatra ihany koa izy 120 lavitrisa  amin'ireo tavoahangy plastika izay tsy ampiasaina afa-tsy indray mandeha monja. Mpikatroka mafana fo mpiaro ny tontolo iainana, John Hocevar, lehiben'ny Greenpeace USA Oceans Campaign, no nilaza fa ilay fanohanany dia “manohintohina ny tena tanjon'ny hetsika izay tadiaviny ho tohanana”. Nampiany fa “mamokatra tavoahangy plastika ariana avy hatrany miisa 120 lavitrisa isan-taona ny Coca-Cola – ary vita avy amin'ny solika fôsily ny 99% amin'izany,  vao mainka manaratsy ny krizy entin'ny plastika sy ny krizin'ny toetrandro”. Ny olana amin'ny plastikan'ny Coca-Cola Tamin'ny volana Febroary tamin'ity taona ity, nampanantena betsaka mikasika ny toetrandro ny Coca-Cola fa hampihena hatramin'ny 25 isanjato ny famokarany plastika mandrapahatongan'ny taona 2030 ; na izany aza, tsy namoaka drafitra mazava izy hanaovana izany ary, hatreto dia toa mirona kokoa amin'ny famotsiana ny marikany izy fa tsy amin'ny fitadiavana vahaolana tena izy. Tao anatin'ny tatitra 2021 navoakany, nomarihan'ny Break Free From Plastic fa tamin'y taona 2019, nampiasa vola 4,24 miliara dolara amerikàna ny Coca-Cola ho an'ny dokam-barotra sy ny varotra ary 11 tapitrisa dolara monja no ho an'ny fandaharanasany momba ny tontolo iainana tamin'io taona io : fandaharanasa fanadiovana renirano. Toa mitovitovy amin'ny fanaovana dokam-barotra ilay izy fa tsy tena faolorantena ho amin'ny fanadiovana ireo vondrom-piarahamonina iharan'ny fandotoana plastika akory. Hoy ny tatitra hoe : Ny fomba tsara indrindra ho an'ny Coca-Cola hampihenana ny dian-tànany plastika dia manomboka amin'ny fanenana ny fampihenana ny famokarana azy io voalohany indrindra, fa tsy hoe  fanadiovana azy rehefa tonga eny anatin'ny tontolo iainana. Ireo tena mpandoto amin'ny plastika, toy ny Coca Cola, dia mankamamy ny fandaniana vola amin'ny fanadiovana ny marika ho maitso, fa tsy ny fieritreretana izay fanovàna ny fonon'ny vokany na ny rafitra fanaterany ny vokatr'izy ireo hanakaiky ny mpanjifany. Amin'ny tsy fandraisana fepetra tena izy hamahana ny olana ifotony dia afindran'ireo orinasa mpandoto ireo any amin'izay tsy dia tomponantoka loatra amin'ny krizin'ny toetrandro sy plastika ny enta-mavesatra, anisan'izany ireo tanora, ny vondrom-piarahamonina kely fidiram-bola sy ireo firenena tatsimo. Ary ny porofo dia tsy manao afatsy ny manamarina ny filazan'ny Break Free From Plastic. Tatitra fanadihadiana iray sy fandraketana an-tsoratra iray tafaporitsaka navoakan'ny The Intercept no nilaza fa nandritra ny ampolon-taona maro, nanohitra ny politikan'ny fanaraha-maso ny plastika tao Etazonia ny Coca-Cola, izay mametraka ireo orinasa ho tomponandraikitra amin'ny fako plastika izay vokarin'izy ireo. Vola an-tapitrisany no nafafiny hanoherana ilay volavolan-dalàna manohitra ny fanodinana indray ny plastika sy nanaovany adisisika mafy ny tsy haha-tomponandraikitra. Mampihoron-koditra ireo firaketana ary manome fomba fijery ratsy amin'ny fomba izay iasan'ny fanaovana adisisika any anaty sehatr'ireo orinasa goavana be – amin'ny filaza hafa, ny vola no fahefana ary ny fahefana dia ny hery mitaona. Raha tiantsika ny hitondra fiovàna lovainjafy  / maharitra dia tsy maintsy ovàna io rafitra io. Tsy tokony ho afaka hividy ny lalàna hialàny andraikitra amin'ny fandefasana entona miteraka hafanàna ireo orinasa. Raha marina ny tombatomban'ny toetrandro, mba hialàna amin'ny loza ateraky ny toetrandro dia manana sivy taona eo ho eo isika (amim-panantenana ny tsara). Mba hanaovana izany, tokony hanova hatrany amin'ny fotony ny maodeliny ara-barotra ireo orinasa mpandoto – na isika, amin'ny maha-olompirenena antsika, dia tokony hanova izany ho azy ireo ary handà ireo orinasa izay mihevitra fotsiny ny fanolorantena ho an'ny tontolo iainana ho toy ny fitaovana ara-barotra ho an'ny orinasa. Mandra-pahatongan'ny Coca-Cola ho eo amin'ny latabatry ny tsy fihatsarana velatsihy, miaraka amin'ny tena drafitra fampandrosoana maharitra, tsy tokony handray azy ho matotra isika amin'ny maha-mpamatsy vahaolana azy ho an'ny toetrandro – ary tsy tokony hanohana ny fivoriam-be goavana  indrindra iresahana ny tontolo iainana amin'ity taona ity. Hatreto, dia tsy hafa fa orinasa iray io manandrana mandresy lahatra ireo mpanjifa amin'ny ankosotra loko maitso manjelatra. Raha toa ireo mpikarakara ny COP27 sy ny tomponandraikitra amin'ny ONU maniry marina ny hitondra fiovàna amin'ny ady amin'ny fiovan'ny toetrandro, dia handray fepetra matotra izy ireo ary handà ny fanohanana ataon'ny Coca-Cola.
https://mg.globalvoices.org/2022/11/08/159640/
[Afaho ny Zanakay Vavy] mampitsahatra ny fandrimbinana (famoràna) fivaviana ao Nizeria
2022-11-08T03:39:54
Unknown
“Azo atao, amin'ity taranaka ity, ny mampitsahatra ny fanao iray izay manam-piantraikany amin'ny tovovavy sy vehivavy eo amin'ny 130 tapitrisa any amin'ny firenena miisa 29”, hoy ny fanamafisan'ny Lehiben'ny Firenena Mikambana teo aloha Ban Ki-moon nandritra ny Andro Iraisampirenena 2014 Tsy Mila Fandeferana amin'ny Famoràna Fivaviana. Sary Wikimedia Commons avy amin'ny UNICEF / Olivier Asselin , 6 Febroary 2015, ( CC BY-SA 2.0 ) When men are oppressed, it’s a tragedy. When women are oppressed, it's tradition – Letty Lottin Pogrebi. Rehefa ampahoriana ny lehilahy dia loza izany. Rehefa ampahoriana ny vehivavy dia fomban-drazana izany – Letty Lottin Pogrebi. Tombanana ho 200 tapitrisa ny tovovavy sy vehivavy iharan'ny fomba famoràna Fivaviana (FGM- Female Genital Mutilation) any amin'ny firenena Afrikanina 30, Afovoany Atsinanana ary Azia. Mamoy ny ainy vokatr'izany ny roa ampahatelon'izy ireo isan'andro, izay mitaky fandraisana fepetra avy amin'ny fanjakana avy hatrany mba hampitsaharana ny fomba fanao toy izany, hoy ny Sampan'ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana ( WHO -OMS). Tombatombana ho manana 19,9 tapitrisa tafavoaka velona, laharana fahatelo ahitana vehivavy sy tovovavy betsaka niharan'ny FGM maneran-tany i Nizeria. Fanesorana ampahany na manontolo ny taovam-pananahana ivelany amin'ny tovovavy noho ny antony kolontsaina/tsy ara-pitsaboana ny Famoràna Fivaviana (FGM). Na dia marotava aza ny anton'izao fomba fanao izao, ny marina fototra iray dia mariky ny tsy fitoviana lalim-paka eo amin'ny lahy sy ny vavy  ny FGM, araka ny neken'ny OMS. “Anton-javatra lehibe izay mandrisika ny fahatezàny ny kolontsaina sy ny fomban-drazana” hoy ny Dr. U. U. Epundu sy ny mpikaroka dimy hafa misahana ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny Hopitaly Oniversiteran'i Nnamdi Azikiwe any Nizeria atsimo-atsinanana. Milaza ny PubMed, tahirin-kevitra fitahàna sy famintinana ireo siansan'ny fiainana fa manohy “mifehy ny ara-nofon'ny vehivavy” ny FGM. Ny antony hafa, araka ny filazan'ny PubMed, dia ahitana ny “faniriana mba ho ekena eo anivon'ny fiarahamonina sy ny tahotra ahilika ara-tsosialy.”  “Heloka bevava manohitra ny maha-vehivavy” miampy “vesatra ara-pahasalamana sy ara-bola” ny  FGM izay matetika mety hitarika fahafatesana, hoy ny navoitran'i Epundu. Ny voka-dratsin'ny FGM dia ahitana ny fandehanan-drà mafy, olana rehefa mivalan-drano, kista any aoriana, aretina ary olana ara-tsaina. Misy ihany koa ny fahasarotana amin'ny fiterahana ary mitombo ny mety ho fahafatesan'ny zaza vao teraka. Manimba ny vatana ary manimba ny taovam-pananahana salama sy ara-dalàna izany. Lafo be ny fitsaboana ny FGM ary maro amin'ireo vehivavy ireo no tsy mahavidy izany, ka mahatonga azy ireo ho mora voan'ny aretina. Nanjary fandikan-dalàna azo saziana araka ny Lalàna Fandraràna ny Herisetra amin'ny Olona ao Nizeria tamin'ny taona 2015 ny FGM sy ny endrika hafa amin'ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy. Na dia izany aza, vitsy ny fanamelohana noho ny tsy fahampian'ny fanentanana ny vahoaka sy ny tsy fankatoavan'ny fiadidiam-panjakana 17 amin'ny 36 ao Nizeria ity lalàna ity, izay any amin'ny faritra Avaratra ny ankamaroany, araka ny filazan'ny Nigerian Tribune . “Niteraka holatra ny fomba fiasa mahatsiravina” Afisy momba ny tsy fanekena ny famorana vehivavy ao amin'ny lamba'hosodoko! Sary avy amin'i Rufai Ajala , 27 Oktobra 2010, ( CC BY 2.0 ) Lucy Osuizigbo, mpanao gazety ao amin'ny Premium Times, gazety anjotraa nitantara ny zavatra mahavaky fo niainan'i Rosaline Nkwo (solon'anarana mba hiarovana ny fiainany manokana), tafavoaka velona tamin'ny FGM: I am in my late 50s with shattered aspirations; no husband, no children or a family of my own due to the barbaric practice of female genital mutilation that was carried out on me when I was a two-year old. My mother told me that my case was a peculiar one because it was done without Anaesthesia and I struggled so hard when I could not stand the searing pain arising from the bad cut that had to be stitched. This barbaric act led to an irritating formation of Keloids and scar tissues around my genitals which scared men whenever they tried to get intimate with me. This crashed my two marriages and made me become lonely, angry, useless, lost, abandoned and hopeless. Efa eo amin'ny famaraparanana ny faha-50s taonako aho, rava ny fikasako; tsy misy vady, tsy manan-janaka na fianakaviako manokana noho ny fomba fanao mahatsiravina amin'ny famorana taovam-pananaham-behivavy nihatra tamiko fony aho roa taona. Nolazain'ny reniko tamiko fa hafahafa ny nitranga tamiko satria natao tsy nisy Anestezia izany ary nitolona mafy aho rehefa tsy zakako ny fanaintainan'ny ratra mafy tsy maintsy nozairina. Niteraka fiforonan'ny Keloids sy holatry ny fery manodidina ny taovam-panananahako izany fihetsika feno habibiana izany izay nampatahotra ny lehilahy isaky ny miezaka manao firaisana amiko. Nandrava ny fanambadiako indroa izany ary nahatonga ahy ho manirery, malahelo, tsy misy ilana azy, very, nilaozana ary tsy manana fanantenana. Nahatsapa ny havesaran'ny toerany  i Nkwo, 57 taona tamin'ny fotoana namoahana lahatsoratra tamin'ny taona 2016, rehefa nisaraka taminy ny vadiny raha nahita ny taovam-pananahany tamin'ny alin'ny fampakaram-badin'izy ireo. Nambarany fa tsy nahazaka ny saram-pandidiana fanitsiana izy satria tsy ho voaloany ny faktiora. Nanomboka teo dia niaina tao anatin’ny hatezerana sy ny fahoriana ary ny alahelo izy. Nanimba tanteraka ny fiainany sy izay hirika tokony ho azony izany teknika izany. Iray amin'ireo vehivavy maro nanana traikefa tahaka izany vokatry ny FGM i Nkwo. Tsy vitan’izay izany fa anisan’ireo olona an-tapitrisany any Nizeria izay namoy ny zava-drehetra izy. Osuizigbo amin'ny fiaraha-miasa amin'ny News Agency of Nigeria, dia mitantara ihany koa ny tantarana vehivavy iray hafa, Nneoma, 36 taona, renim-pianakaviana manan-janaka roa rehefa miresaka momba ny zava-niainany sy ny fomba nanimban'ny FGM ny fianakaviany sy ny andraikiny amin'ny maha-vady azy. Noraisin'i Nneoma ho tompon'andraikitra tamin'ny olana ara-panambadiany ny reniny ary nizara tao anatin'ny fanozonana sy ny famelana azy izy: I had my two children through caesarean section; the doctor said it was due to FGM, my vagina opening is so narrow. It made intercourse painful that I try to avoid sex as much as possible; and I cannot satisfy my husband sexually. When I hear people talk about sex as a pleasurable act, I still cannot understand it because my experience has been a painful one. I feel different and uncomfortable among other women. It has not been easy, but I have to accept and live with my husband’s extramarital affairs . Niteraka ny zanako roa tamin’ny alalan'ny fandidiana aho; nilaza ny dokotera fa vokatry ny FGM izany, tery be ny fivaviako. Nampanaintaina ny firaisana ara-nofo ka niezaka ny tsy hanao firaisana araka izay azo atao aho; ary tsy afaka manome fahafaham-po ara-nofo ny vadiko aho. Rehefa maheno olona miresaka momba ny firaisana ara-nofo ho toy zava-mahafinaritra aho, dia mbola tsy azoko ilay izy satria nampahory ny zavatra niainako. Mahatsiaro ho hafa aho ary tsy mahazo aina miaraka amin'ny vehivavy hafa. Tsy mora izany, saingy tsy maintsy manaiky sy miara-miaina amin’ny [fampirafesan’ny] vadiko aho. Manoloana ny hamafin'ny FGM amin'ny fiainan'ireo zazavavy tsy manan-tsiny maro, nampitombo ny firotsahana an-tsehatra any amin'ny firenena maro, tahaka an'i Nizeria ny UNICEF, izay miara-miasa amin'ny Tahirim-bolan'ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA). Ity fandaharan'asa, izay ao anatin'ny dingana fahatelo amin'izao fotoana izao ity, no mandrisika ireo vondrom-piarahamonina samihafa hanova ny fomba fisainana sy hanova ny fenitra ara-tsosialy. Firotsahan'ny UNICEF-UNFPA an-tsehatra ihany koa ny miaraka amin'ny governemanta Nizeriana miasa hanohanana sy handrisihana ireo lalàna mandràra ny FGM, sady manome antoka ny hahazoan'ny zatovovavy fahafahana hahazo tolotra ara-pahasalamana avo lenta momba ny fiarovana ny zaza.
https://mg.globalvoices.org/2022/11/07/160793/
Hety volon'ny mpianatra, niteraka fihetsiketsehana tany an-tsekoly tao Angôlà
2022-11-07T13:08:10
Unknown
Araka ny nambaran'i Daniel Moço, mpianatra, tamin'ny Deutsche Welle, tsy raràn'ny lalàna angôley ny fampiasàna hety volo dokodoko na natoraly any amin'ireo sekolim-panjakana sy tsy miankina. Sary: Giovana Fleck/Global Voices Hatramin'ny faran'ny Septambra 2022, mandalo fotoan-tsarotra ireo sekoly angôley taorian'ny nivezivezen'ny vaovao hoe voarara ireo taovolo lazaina fa tsy mendrika. Araka ny ambaran ‘ny media sasantsasany, ny taovolo lava na “mihoatra ny tokony ho izy” dia antony tsy ahatongavan'ireo ankizy manatrika ny fampianarana any amin'ireo sekoly ao Loandà, izay mbola ny hety volo fohy no tsy maintsy arahana, mba “hiarovana ny fahadiovana”, no sady koa hisorohana ny lazaina fa “fihantsiana herisetra”. Notanisain'ny iray amin'ireo tale ao amin'ny Instituto Medio Industrial ao Loandà (IMIL), ilay ivon-toerana iantefan'ny resaka, ireo hety volo tsy azo atao ao amin'ny toeram-pianarana tantaniny: Aqueles estudantes que se apresentarem na nossa instituição com cortes extravagantes, como, por exemplo, com cabelo despenteado ou com um corte com desenhos na cabeça, esses estudantes, logicamente, nós aconselhamos a irem para casa… Izay mpianatra tonga ato amin'ny sekolinay miaraka amina hety volo mihoatra ny tokony ho izy, ohatra hoe volo misaritaka na feno haingonkaingo eny an-tampon-doha, araka ny lojika, dia iangavianay ry zareo hody any an-tranony… Kanefa, ny fanehoankevitra dia tao anatin'ny hagagàna sy fanoherana nataon'ireo mpianatra, indrindra fa avy amin'ireo mpianatra nanao taovolo dokodoko na volo lava na ireo tovolahy nirandrana. Efa herinandro mahery io toedraharaha io, ary niteraka diabe fanoherana nataon'ireo mpianatra tamin'ny 8 Oktobra, saingy noporetin'ny pôlisy. Nisy  mihitsy aza ireo mpianatra nosamborina . Nohamafisin ‘ireo nikarakara io diabe voalaza etsy ambony io fa fanitsakitsahana mibaribary ny zon-dry zareo ilay fihetsika: Enquanto estudantes, foi com bastante insatisfação que tomamos conhecimento de que, um estabelecimento de ensino, havia impedido um estudante de assistir aulas, enquanto não cortasse o cabelo, pelo facto desse ser crespo, sendo que o mesmo não acontecia com os meninos que tinham cabelo liso e comprido, ou seja de pele branca… Amin'ny maha-mpianatra anay, tamin'ny tsy fahafaliana tanteraka no nandrenesanay fa misy toeram-pianarana iray nandràra mpianatra iray tsy hiditra an-dakilasy raha tsy avy mihety volo satria taovolo dokodoko ny azy. Tsy toy izany anefa ho an'ireo tovolahy manana volo lava sy mitsotra, izany hoe ireo fotsy fihodirana… Araka ny voalazan'ilay mpianatra, Daniel Moço, tamin'ny Deutsche Welle, tsy raràn'ny lalàna angôley ny fanaovana hety volo dokodoko na natoraly any amin'ireo sekolim-panjakana sy tsy miankina: Achamos um acto de descriminação pela qual condenados esse tipo de atitude porque não há bases para se proibir um aluno de entrar na escola com cabelo natural, grande seja em que estado estiver. Heverinay fa fihetsika fanavakavahana izany, toherinay araka izany ireny fihetsika ireny satria tsy misy mihitsy, na iray aza, antony andraràna mpianatra iray manana ny volony natoraly tsy hiditra ao an'efitrano fianarana, na toy inona na toy inona endriny. Ny sasany nampifangaro ilay fanapahankevitr'ireo sekoly angôley tamin'ny fihetsika iray fanohizana ireo fomba fanaon'ny mpanjakana, toa an'i Isidro Fortunato, avy amin'ny Movimiento Ubuntu : O comportamento destas instituições é um fardo pesado das políticas coloniais e de segregação que vigoraram nas províncias ultramarinas” de Portugal entre 1482 a 1975, altura em que Angola se tornou independente. Tens aqui uma herança de um determinado contexto histórico que foi reaproveitada na sociedade angolana da atualidade porque não houve uma ruptura com o passado histórico. Fanavakavahana sy enta-mavesatra avy amin'ny pôlitikam-panjanahana ny fihetsik'ireny toeram-pianarana ireny, izay mbola nanan-kery tany amin'ireo faritany ampitan-dranomasina tao Pôrtiogaly, teo anelanelan'ny 1482 sy 1975, fotoana nahazoan'iAngôlà ny fahaleovantena. Lova navelan'ny toedraharaha ara-tantara iray izy io, izay naverina nampiasaina tao anivon'ny fiarahamonina angôley amin'izao fotoana izao satria tsy nisy ny fanapahana tadim-poitra tamin'ny lasany ara-tantara. Ho setrin'ireo resabe, niditra an-tsehatra nitondra teny miampita iray ny minisitra angôley misahana ny fampianarana, nanasàny ireo toeram-pianarana tsy miankina mba hiady amin'ny fanavakavahana. Ao anatin'ilay taratasy, ny minisitra Luísa Grilo dia nanentana ireo sekoly mba hametraka “tontolo  iray mirindra misy fanajàna ny fahasamihafàna amin'ny fomba samihafa mety hisehoan'ny taovolon'ny mpianatra tsirairay, rehefa tsy manitsakitsaka ny fitsipi-pitondrantena sy ny fitsipiky ny sekoly”. …o Sistema de Educação e Ensino se rege pelos princípios da igualdade e da proteção da criança, previstos na Constituição da República, bem como pelo princípio da universalidade, previsto na Lei de Bases do Sistema de Educação e Ensino promovendo assim o combate contra todo o tipo de discriminação por razões da ascendência do indivíduo, sexo, raça, etnia, cor, deficiência, língua, local de nascimento, religião, convicções políticas, ideológicas ou filosóficas.. …misy fitsipika mifehy ny fitoviana sy ho fiarovana ny fahazazàna ao anatin'ny rafitry ny fanabeazana sy ny fampianarana, voalaza ao anatin'ny Lalam-panorenan'ny Repoblika, sy ny fotokevitry ny maha-an'izao rehetra izao azy, voalazan'ny lalàna fototry ny rafitra fanabeazana sy ny fampianarana, izay mampiroborobo ny ady hanoherana izay rehetra mety ho endrika fanavakavahana mifototra  amin'ny fiaviana, ny maha-lahy na vavy, ny foko sy firazànana, ny lokon-koditra, ny fahasembanana, ny fiteny, ny toerana nahaterahana, ny finoana, ny fironana pôlitika, fironana ara-potokevitra na filôzôfikan'ny isam-batanolona… Ampahatsiahivin'ilay tenimita ihany koa fa ireo mpitantana sekoly dia tsy maintsy manaraka ny lalàna sy miantoka ny fanatanterahana ireo fotokevitra ankapobeny mifehy ny rafitra fanabeazana, ary mampiroborobo “ireo paikady fifampiresahana eo amin'ireo mpisehatra ao anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny fampianarana, mitodika mankany amin'ny fametrahana ireo fitsipiky ny firaisa-monina ao an-tsekoly izay miantoka ny fiarovana betsaka ireo tsy ampy taona manoloana ireo rehetra endrika fanavakavahana”.
https://mg.globalvoices.org/2022/10/18/160200/
Niala tsiny noho ny fandripahan'olona nandritra ny fanjanahantany tany Mozambika i Portiogaly
2022-10-18T05:00:32
Unknown
António Costa, Praiminitr'i Portiogaly | Sary Flickr Partido Socialista 2022 Tao anatin’ny fihetsika fankasitrahana tsy fahita firy sy manan-tantara, tamin'ny 2 Septambra, niala tsiny noho ny fandripahan’olona tao Wiriamu ny praiminisitra Portiogey António Costa, tamin'ny famonoan'ny tafika Portiogey sivily tsy mitam-piadiana manodidina ny 400 tamin'ny 16 Desambra 1972 nandritra ny Adim-panjanahantany Portiogey (fantatra ihany koa amin'ny hoe Adim-pahaleovantena Mozambikana , 1961–1974). Nambaran'ny fampahalalam-baovao Britanika ity fandripahana olona ity tamin'ny taona 1973 ary tsy nasiana resaka nandritra ny taona maro tany Portiogaly. Namaritra izany ho “fihetsika tsy azo nalan-tsiny izay manala baraka” ny tantaran'i Portiogaly i Costa. Hoy i Costa raha niresaka tamin'ny filoha Mozambikana tao Maputo: Neste ano de 2022, quase decorridos 50 anos sobre esse terrível dia de 16 de Dezembro de 1972, não posso deixar aqui de evocar e de me curvar perante a memória das vítimas do massacre de Wiriamu, acto indesculpável que desonra a nossa História. Amin'ity taona 2022 ity, efa ho 50 taona taorian'io andro nahatsiravina tamin'ny 16 Desambra 1972 io, tsy haiko ny tsy hanambara sy hiondrika manoloana ny fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny famonoan’olona tao Wiriamu, fihetsika tsy azo nalan-tsiny. izay manala baraka ny tantarantsika. Tsy ela dia tonga ny fanehoan-kevitra mikasika ny lahateniny. Araka ny notaterin'ny gazety Público, niantso ny fialan-tsiny nataon’ny praiminisitra ho “manam-pahasahina” ilay antropology Mozambikana sady mpahay tantara Maria Paula Meneses. Nambaran’ity mpikaroka ity fa mifanaraka amin’ny zavatra efa nataon’ireo firenena Eoropeana hafa izany, ary nilaza izy fa ilaina ny fananganana “vaomieran'ny fahamarinana sy ny fampihavanana” momba ny heloka an’ady. Nanamarika ihany koa i Maria Paula Meneses fa nisy koa ny fandripahan’olona hafa tahaka ny tao Wiriamuno Mozambika: Há muitos outros contextos de massacres, e na mesma região, de que não se fala. E há toda a questão de Goa e do Brasil. A questão colonial está intimamente ligada à violência e destruição, e uma outra violência que é a destruição da história do outro lado. Betsaka ny trangam-pandripahan’olona, ary ao amin'ny faritra iray ihany, izay tsy noresahina. Ary misy ny fanontaniana momba an'i Goa sy Brezila. Mifandray akaiky amin'ny herisetra sy ny famotehana, ary ny herisetra iray hafa dia ny famotehana ny tantaran'ny olon-kafa ny fanontaniana momba ny fanjanahantany. Nanasongadina ny fahatsiarovana ireo niharam-boina rehetra ny olona hafa: António Costa, hoje: “Não posso deixar aqui de evocar e de me curvar perante a memória das vítimas do massacre de Wiriamu, acto indesculpável que desonra a nossa História”. A lista possível das vítimas a que devíamos este pedido de desculpa: pic.twitter.com/miUC3SBDMq — Joana Moura Gomas (@Joalita) September 2, 2022 António Costa, androany: “Tsy haiko ny tsy hiteny sy hiankohoka manoloana ny fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny fandripahan’olona tao Wiriamu, fihetsika tsy azo nalan-tsiny izay manala baraka ny tantarantsika”. Ny lisitr'ireo niharam-boina izay tokony hanaovantsika ity fialan-tsiny ity: Nanasongadina ny ohatra nasehon'ny praiminisitra Portiogey ny fanehoan-kevitra hafa: O reconhecimento e pedido de desculpas do Primeiro Ministro em relação às atrocidades cometidas em Wiriamu são para mim motivo de orgulho nacional, honram o ímpeto descolonizador da transição democrática portuguesa e dignificam a função de líder do governo. — João Patrício (@jpatrcio00) September 5, 2022 Loharanon'ny rehareham-pirenena ho ahy ny fankatoavana sy ny fialan-tsiny nataon'ny praiminisitra tamin'ny habibiana tao Wiriamu, manome voninahitra ny firosoana amin’ny fanafoanana ny fanjanahantany tamin'ny tetezamita demokratika Portiogey ary manome voninahitra ny toeran'ny lehiben'ny governemanta. Muito bem o Dr. António Costa a pedir desculpa pela operação Marosca, organizada pelo moçambicano Chico Kachavi, que culminou no massacre de Wiriamu. Não esqueceremos! — Zé Nabo, Presidente (@ZeNabo1974) September 3, 202 Dr António Costa tena tsara niala tsiny tamin'ny hetsika Marosca, nokarakarain'ny Mozambikana Chico Kachavi, izay niafara tamin'ny fandripahan’olona tao Wiriamu. Tsy hohadinoinay! Ny famonoana tao Wiriamu Nanomboka tamin'ny 16 Desambra 1972 izany rehetra izany, fony tany Wiriamu, Mozambika, sivily tanam-polo manodidina ny 400 no maty novonoin'ny miaramila Portiogey. Voalaza fa ilay mpanao gazety britanika, Peter Pringle, no nampahafantatra voalohany an'izao tontolo izao ilay fandripahan’olona tamin'ny alàlan'ny lahatsoratra tao amin'ny gazety The Times tamin'ny taona 1973 taorian'ny niampangan'ireo misionera vahiny miasa ao amin'ny faritr'i Wiriamu ilay zava-nitranga. Nanatsoaka hevitra ihany koa ny fikarohana nataon'ny mpahay tantara Mustafah Dhada, teraka tany Mozambika ary monina any Etazonia, fa namono ny ampahatelon'ny mponina miisa 1350 ny miaramila Portiogey, izay nahitana fianakaviana miisa 216, avy amin'ny tanànakely miisa dimy (Wiriamu, Djemusse, Riachu, Juawu ary Chaworha. Anisan'ny faritra iray nantsoiny hoe telozoro Wiriamu izy ireo, izay misy tanànakely miisa 40.
https://mg.globalvoices.org/2022/10/19/158210/
Ny fomba nanomezan'ny mozika highlife Igbo fanantenana ho an'i Nizeria taorian'ny ady an-trano iray nandravarava
2022-10-19T12:17:12
Unknown
Tovolahy Igbo iray milalao Abia (amponga). Sary avy amin'i Ou Travel and Tour , nampiasaina nahazoana alalana Vakio eto ny ampahany voalohany amin'ity andiany ity mikasika ireo mpisava lalana amin'ny mozika highlife Igbo. Taorian'ny ady an-trano nandravarava izay nifarana tamin'ny taona 1970, nitondra fampiononana sy fanantenana ho an'ireo Igbos, foko iray tena mameno ny ao Nizeria Atsimo-Atsinanana, ny Igbo highlife . Nanoloana io fangirifirina io, tamin'ny alalan'ny famintinana ireo sedra tamin'ny androny narahan'ny antso hanao fandeha manasatra, dia nitondra fampiononana ireo mpahay mozika highlife na eo aza ny fahasahiranana manjaka. Nandritra ny taona 80 sy 90, ny Igbo highlife dia nitohy nanome hafaliana nampiavaka ilay vanimpotoana. Nipoaka ny ady an-trano Nizeriana taorian'ny fanonganam-panjakana tsy tanteraka tamin'ny taona 1966 izay nikasàna hanonganana ny filoham-pirenena iray avy tany avaratra, notarihin'ireo manamboninahitra Igbo. Nandrehitra famonoana an'ireo Igbos sy ireo Tatsimo hafa nonina tao avaratr'i Nizeria ny valifaty tamin'ilay fanonganam-panjakana. Niafara tamin'ny “fahafatesana olona hatramin'ny 30 000″ ny herisetra nipoaka avy hatrany taorian'izay, ka nanery ireo Igbos “maherin'ny iray tapitrisa” handositra mankany amin'ny “faritra Atsinanana”, araka ny fanadihadiana nataon'i Helen chapin Metz, mpikaroka ao amin'ny Tranomboky amerikana ao amin'ny Kaongresy. Nisaraka tamin'i Nizeria ireo Igbos ka namorona ny Repoblikan'i Biafra. Niafara tamin'ny ady an-trano Nizeria/Biafra izany tamin'ny taona 1967-1970 izay nitarika ny fahafatesana “foko Igbos sy Tatsinanana hafa maherin'ny iray tapitrisa”, hoy ny fanamafisan'i Chima J. Korieh, mpampianatra ny tantara afrikana ao amin'ny anjerimanontolo Marquette ao Etazonia. Ny mozika highlife Igbo taorian'ny ady an-trano Ilay ady an-trano dia nandefa Igbos maherin'ny iray tapitrisa , niparika manerana an'i Nizeria, hiverina tao amin'ny faritra atsinanana. Nanorim-paka ny highlife tao atsinanana io, hoy ny fanamafisan'i  Oghenemudiakevwe Igbi, Nizeriana iray manampahaizana. Nahatonga ny karazana highlife ho “vokatra iray manova ny kolontsain'ny mozika folk”  tamin'ny  kolontsaina Igbo ny fanovàna ny teny miafin'ireo tononkira Igbo ho amin'ny teny anglisy, izay nivelarany, hoy ny fanamafisan'i Ikenna Onwuegbunna, manam-pahaizana iray amin'ny mozika Nizeriana. Taorian'ny ady an-trano Nizeriana teo anelanelan'ny taona 1967 sy 1970 dia rotika tanteraka ry zareo Igbo, namoy ny ainy sy very fananana. Ny teny filamatra ofisialy “tsy misy mpandresy, tsy misy resy” taorian'ny ady an-trano, dia naneho taratra ny fanolorantenan'ny governemanta hamerina indray ireo Biafrana ho ao amin'ny Fanjakana Nizeriana. Na izany aza anefa, ny zava-misy henjana dia ny faneren'ity governemanta Nizeriana ity ihany “handoavana 20£ ho an'ireo tompona kaonty any amin'y banky ao Biafra, na hoatrinona na hoatrinona vola tao amin'ny kaontiny talohan'ny” ady. Nahavaky fo ireo sisa velona tamin”ilay ady nahakivy izany, angamba koa mihoatra lavitra noho ilay ady mihitsy aza. Ny mozika highlife Igbo, araka ny nanehoan'ny Oriental Brothers International Band azy, dia nanome tara-pahazavana tao anatin'io zava-misy nampahonena io. Ny Tarika Oriental Brothers International Vinyl Nizeriana tany am-boalohany ( Afrodesia label ) an'ny Oriental Brothers International (1976). Ny Opara Brothers, Godwin Kabaka Opara, Ferdinand (Dan-Satch) Emeka Opara, Christogonous Ezebuiro “Warrior” Obinna, sy Kabaka Opara, ary koa Nathaniel “Mangala” Ejiogu, Hybrilious Dkwilla’ Alaraibe, sy Prince Ichita, no namorona ny Oriental Brothers tamin'ny taona 1972. Tamin'ny faramparan'ilay taompolo, 20 no isan'ny rakikira navoakan ‘ilay tarika. Iray amin'ireo tarika tena nahomby indrindra tao Nizeria ny Oriental Brothers, nitana ny “toerana ara-panahy” lehibe indrindra tamin'ny fitazonana ny Igbos ho “salama”, taorian'ny ratram-po navelan'ny ady mahery vaika”, hoy ny All Music, angondrakitry ny mozika maneran-tany. Indrisy anefa, nisaraka tamin'ny Kabaka ny tarika tamin'ny taona 1977 mba ho lasa Kabaka International Guitar Band, tohin'ny disadisa-na leadership (fitarihana) tamin'i Dan-Satch. Telo taona taty aoriana, nandeha nitokana ihany koa i Warrior, namorona ny Dr. Sir Warrior sy ny The Original Oriental Brothers. Taona maro taty aoriana, nitambatra indray ny tarika mba handrakitra rakikira roa, dia ny :““ Anyi Abiala Ozo ” (1987) sy ny “ Oriental Ge Ebi ” (1996). Avy ankavia miankavanana : Dan-Satch sy Warrior, fonon'ny rakikiran'ny Oriental Brothers Tamin'ny Martsa 2015, nanome topimaso momba ny aingam-panahy tao ambadikiny sasany tamin'ireo hiran'ny Oriental Band Brothers i Dan-Satch Opara, nandritra ny tafatafa niarahana tamin'ny Nitch, gazety Nizeriana iray anaty tambajotra miresaka ny fialamboly. Ohatra, ny ‘ Ihe chi nyere m, onye a nana m ’ dia fandikana ara-bakiteny ny hainteny filozofika Igbo, “tsy misy olona afaka hanala izay nomen'Andriamanitra ahy (na nomeny ho an'olon-kafa)”. Ny ‘ Ebele onye uwa ’, manohy i Dan-Satch, dia “fambara momba ny fivakisan'ny Oriental Brothers.” Hira iray hafa, ‘ Iheoma ’, niresaka ny valisoa Udoji tamin'ny 1975. Tamin'ny 1972, ny filoha Jerome Udoji no nitarika ny kaomisiona notendren'ny governemanta hanavao ny asam-panjakana taorian'ny fanjanahantany sy taorian'ny ady an-trano tao Nizeria. Avy eo dia f antatra tamin'ny anarana hoe “Valisoa Udoji” ny rafitry ny karama nohatsaraina natolotry ny kaomisiona ho an'ireo mpiasam-panjakana. Vokatr'izay, noesoin'ny “Uheoma” ireo mpitendry mozika tsy tafiditra tao anatin'ilay fonosana karama nohitarina. Manazava i Dan-Scotch hoe “nahazo vola betsaka ireo olona sasany ka nividy kodiarandroa na fiarakodia”. Tsy nisy noho izany ny nomena anay, izahay mpitendry mozika […] na teo aza ny fandraisanay anjara tamin'ny hasambaran'ny vahoaka. Nampiavaka manokana ilay tarika ny fampifangaroana tsy manampaharoa ny kojakojan-java-maneno gitara Kongoley tamin'ireo gadona Igbo nentim-paharazana. Nanjaka teny amin'ireo onjampeo hatrany amin'ny taona 80 ny fiangaliana hira ara-panahy soul sy manasitrana nataon'izy ireo. Nomarihin'ny Oriental Brothers ny filàna fiainana milamina sy mirindra. Ny ankamaroan'ny “lohahevitry ny hiran'izy ireo dia nalaina avy tamin'ny traikefan'ny ady notampohina ohabolana Igbo manankarena”, hoy Amaka Obioji, mpanao gazety ao amin'ny Legit, tranonkalam-baovao an-tserasera Nizeriana. Ny “ egwu ekpili ” an'i Ozoemena Nsugbe Ireo zavamaneno egwu ekpili nentim-paharazana Igbo. Avy any ankavia miankavanana : Ichaka, ubọ aka, Ichaka sy ọkpọkọrọ (antsoina ihany koa hoe ekwe nta na ekwe aka ). Sary an'i Giovana Fleck/Global Voices. Ny Egwu ekpili dia karazana mozika nentim-paharazana Igbo manjaka ao amin'ireo Igbos avy amin'ny Ọnịcha, Nsugbe, Nteje, Aguleri, ao amin'ny Fanjakana Anambra, Atsimo-Atsinanan'i Nizeria, voafaritry ny tahirin'antso sy valiny. Ity mozika folklorika Igbo ity dia “mametraka fanoharana eken'ny rehetra sy ara-poto-kevitra mba hanononana ny maripamantarana sy ny foto-pisainana Igbo miezinezina”, hoy Ebuka Elias Igwebuike, Nizeriana manam-pahaizana amin'ny teny sy literatiora. Ny fitaovana ara-java-maneno ọkpọkọrọ (antsoina ihany koa hoe ekwe nta na ekwe aka ), ịchaka sy ubọ aka – egwu ekpili – dia nipoitra teo ho eo amin'ny 950 taorian'i JC tany anatin'ireo vondrom-piarahamonina Igbo nentim-paharazana. Fonon'ny rakikira an'i Akunwata Ozoemena Nsugbe Nampidirina tamin'ny mozika highlife Igbo ity karazana ity, miaraka amin'ny gitara elektrika sy ny piano tsara toerana , teo anilan'ny ekpili Igbo, fitaovan-java-maneno nentim-paharazana. Nanomboka nihira i Akunwata Ozoemena Nsugbe tamin'ny taona 1967, ary ny filoha Emeka Morocco Maduka , fanta-daza tamin'ny anarana hoe ‘Eze Egwu Ekpili,’ no anisany amin'ireo mpihira malaza egwu ekpili highlife. Filozofika sy môralista ny ankamaroan'ny lohahevitry ny hiran'izy ireo. Ny feo Zigma, fanakambanana highlife sy ny hira folk ary ny antsa Ny fonon'ny rakikira an'i Bright Chimezie I Bright Chimezie dia nampiroborobo ny fifangaroan'ny mozika nentim-paharazana Igbo, ny highlife sy ny feo tamin'ny alàlan'ny Zigima Sound nataony,  izay nalaza nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 80. Chimezie niaraka tamin'ireo nifiny nisaratsaraka, nantsoin'ireo mpankafy azy hoe Okoro Junior, dia nitàna fofonain'ireo mpankafy seho an-tsehatry ny mozika Nizeriana tamin'ny fampiasàny nahatalanjona ny tongony tao anatin'ireo fampisehoana nivantana maro. Mpanao gazety Nizeriana, itompokolahy Amadi Obgonna, nanoratra momba an'i Chimezie : Ny zava-bitany nahatalanjona teny an-tsehatra ihany koa dia nankafizin'ny vahoaka na taiza na taiza nanaovany fampisehoana. Mpahay mozika mahay mamorona, afaka mampiditra hatsikana ao anatin'ny hirany i Bright Chimezie. Hira tahaka ny hoe ‘ Respect Africa, ’ ‘Okro Soup’ sy ny ‘ Oyibo Mentality ’ no nahatonga azy halaza teo amin'ny firenena. Chimezie, mpiandany mafana fo “amin'ny kanto sy ny nentim-paharazana afrikana”, manamafy tao anaty tafatafa tamin'ny taona 2010 fa nampiasainy ny mozika mba hitantarana ny tantara amin'ny fomba feno famoronana. “Ny hafatra ezahiko ampitaina amin'ny olona any dia ny hoe tokony hirehareha isika amin'izay niaviantsika. Ny karazan-tsakafo hohanintsika, ny karazana fitafiantsika”, hoy Chimezie. Ireo mpitendry zavamaneno avo lenta misintona ny aingam-panahiny avy amin'ny maha-Igbo azy dia niditra lalina tamin'ny fanontaniana mikasika ny tena antom-pisiana no sady nanome fialamboly ho an'ireo mpankafy azy ireo. Tazonin ‘i Chimezie fa nisy “filozofia” iray tao anatin'ny mozikan'izy ireo, miharihary ao anatin'ny “sahankevitry ny tononkira” izay niresaka ny tantaram-bahoaka. Ny fifangaroan'ny fitaovana ara-java-maneno tandrefana sy ny Igbo  dia nanome ihany koa ny naha-marimpototra ny lazany ho an'ny hiran'izy ireo izay mbola mamelombelona sy tsy manam-paharoa hatramin'izao. Ity ny lisitra filalao amin'ny mozika highlife Igbo tamin'ny taona 70 hatramin'ny 90 :
https://mg.globalvoices.org/2022/10/12/159935/
Eo an-tampon'ny famirapiratana manerantany ny Baskety lehilahy ao Sodàna Atsimo
2022-10-12T04:37:12
Unknown
Afaka hametraka ny tantaran'ny basikety tsy ho ela ny firenena zandriny indrindra eto Afrika, ny Repoblikan'i Sodàna Atsimo. Mifaninana amin'ny fifanintsanana amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany FIBA ​​hatao amin'ny volana Aogositra ka hatramin'ny volana Septambra 2023 any amin'ireo firenena telo Aziatika, Indonezia, Japana ary Filipina, lalao iray sisa no manasaraka ny ‘ Bright Stars ’ amin'ireo solontena Afrikana efatra hafa amin'ny fifaninanana. Basikety Sodaney Atsimo Teo ambany fitarihan'ilay kintan'ny NBA teo aloha, Luol Deng , nihaika ireo misalasala ny Bright Stars'i Sodàna Atsimo tamin'ny alalan'ny fandreseny hatrany afa-tsy ny iray tamin'ireo lalao sivy nifanintsanana mahatafiditra dingana famaranana FIBA ​​Basketball eto Afrika. Fantatra amin'ny fananana ireo olona lava indrindra eto Afrika , manankaren-tantara lalao baskety i Sodàna Atsimo. Nanam-piaviana tao i Manute Bol mpilalao teratany Afrikana lava indrindra faharoa tao amin'ny ligy NBA , novolavolaina tamin'ny taona 1985. Nahatonga ireo tanora Sodaney maro ho liana tamin'ny baskety ny zava-bitany tamin'ny tapaky ny taompolo 1980 sy ny fiandohan'ny taompolo 1990. Rehefa nisotro ronono izy dia niverina nody ary nandray anjara mavitrika tamin'ny ady fanafahana an'i Sodàna Atsimo teo am-pelatanan'i Sodana. Nanokatra ny lalana ho an'ireo mpilalao Sodaney fiaviana maro hafa izy, anisan'izany ny filohan'ny Federasion'ny Basikety Sodàna Atsimo ankehitriny, Luol Deng . Ho fankasitrahana ny ezaka vitany, nomena ny mari-pankasitrahana Order of the British Empire i Dengo tamin'ny volana Jolay noho ny fandraisany anjara sy ny ezaka nataony tamin'ny lalao baskety — mizaka zom-pirenena roa, Anglisy sy Sodaney Atsimo izy. Manamafy ny ezaka ataony amin'ny fananganana ny lalao ivelan'ny filalaovany amin'ny klioba sy ny ekipam-pirenena izany. Nanangana ny Federasiona Basketin'i Sodàna Atsimo ireo Sodaney mpilalao basikety taloha tamin'ny taona 2011 ary lasa anisan'ny FIBA ​​tamin'ny volana Desambra 2013. Noho ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa tao Juba sy ny tanàna hafa, voatery nihary ivelan'ny fireneny ny ankamaroan'ny mpilalao. Niasa tamin'ny famolavolana ligy mahafaninana ho an'ny mpilalao lahy sy vavy ny federasiona. Lalana mankany amin'ny Mondialy Tiofanan'ny baskety Sodaney Atsimo Tamin'ny volana Janoary 2020, resy manoloana an'i Kenya ny Bright Stars tamin'ny fifanintsanana FIBA ​​Afrobasket, saingy niezaka mafy haingana izy ireo ka lasa lohalaharana tamin'ny fiadiana ho tafiditra amin'ny Mondialy. Talohan’io faharesena, dia efa in'efatra nandresy ny ekipa tamin’ireo lalao teo aloha. Tamin'ny Novambra 2020, nisy ny lavaka nahafahana hiditra amin'ny fifaninanana Afrobasket taorian'ny nialàn'i Alzeria noho ny tahotra COVID-19. Nahitana an'i Cape Verde, Tchad ary Sodàna Atsimo, izay nandresy ho amin'ny fifanintsanana Afrobasket tamin'ny taona 2021 ny Fanasana Baskety Afrikana. Nandray andraikitra tamin'ny fanangonana ireo tanora mpilalao i Deng mba hamolavola ekipa mifaninana, izay nilalao tany ivelany ny ankamaroan'izy ireo. Amin'ny alalan'ny fampiasana ny fitaovana FastScout Pro , nitombo hery ny ekipa, lasa mpifaninana lehibe hilalao amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany. Ny fitaovana FastScout Pro dia sehatra novolavolaina hanaraha-maso ny zava-bitan'ny mpilalao mandritra ny lalaony, manome angon-drakitra ho an'ireo mpitantana sy ny  mpiasa ara-teknika mba ampiasaina amin'ny fanapahan-kevitra amin'ny lalao, sy ny fomba hiatrehana ireo lalao isankarazany. Amin'ny fizorana amin'ny dingana fifanintsanana manaraka izay tokony hatao amin'ny volana novambra amin'ity taona ity , tafiditra laharana voalohany eto Afrika amin'ny Filaharan'ny FIBA Power ny ekipa Sodaney Tatsimo. Misy ihany koa ny mpilalao ao amin'ny ekipam-pirenena no milalao ao amin'ny ekipan'ny Ligy Baskety Sodaney Atsimo, Cobra Sport . Nandray anjara tamin'ny Ligy Baskety Afrika 2022 ( Basketball Africa League ) —  fiarahamiasa tamin'ny FIBA sy NBA ny ekipa mba hampiroborobo talenta nitombo ao amin'ny kaontinanta afrikanina ary hampiseho izany amin'izao tontolo izao. Ahitana ireo mpilalao manan-talenta ny ekipa, toa an'i Padiet Wang , izay milalao toy ny mpiambina, nivoaka ny biraony mba hampisy fiantraikany eny an-kianja, Deng Ring milalalao ao Newfound Rangers any Canada ary Nuni Omot nilalao tany Porto Riko taorian'ny filalaovana fohy tao amin'ny Golden State Warriors sy ny Brooklyn Nets tao amin'ny Ligy Fahavaratra NBA. Tongasoa ny maherifo Tamin'ny fodiana taorian'ny diam-pifanintsanana faha-4 ho amin'ny Mondialy, noraisin'ny filohan'i Sodàna Atsimo, Salva Kiir, araka ny fandraisana maherifo ny ekipa. (Nahavita) Dingana fahefatra amin'ny fifanintsanana ireo ekipa(m-pirenena) eto Afrika tafita hanao Mondialy. Ny dingana farany no hahitana ireo 5 tafita amin'ny volana Novambra. Thank you to His Excellency President Salva Kiir Mayardit for your invitation and the kind words of support! 🇸🇸🏀 pic.twitter.com/xs7UcG5Qvm — South Sudan Basketball (@SSBFed) August 31, 2022 Misaotra anao ry filoha hajaina Salva Kiir Maysardit noho ny fanasanao sy ny teny fanohananao mahafinaritra! 🇸🇸🏀 Nanambara ny Bright Stars ho mijoro eo an-tampon'ny famirapiratana ny Federasiona Iraisampirenena amin'ny Baskety (FIBA) tao amin'ny fitantanany Twitter; South Sudan heroes return to Juba ✈️�� Not officially World Cup bound just yet, but the Bright Stars are standing on the cusp of glory! �� �� @SSBFed #FIBAWC x #WinForSouthSudan</a > | @FIBAWC pic.twitter.com/KNqiXD982r — FIBA (@FIBA) August 30, 2022 Miverina any Juba ✈️�� ny maherifon'i Sodàna Atsimo Mbola tsy tafiditra hanao Mondialy amin'ny fomba ofisialy aloha, fa mijoro eo an-tampon'ny famirapiratana kosa ny Bright Stars! �� Saika nihitsoka tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Juba satria tonga ireo fianakaviana, namana, sy ireo mpankafy ny ekipa baskety malalany. Naka sary sy namoaka ny fankalazana lehibe tao amin'ny pejiny Instagram i Padiet Wang, mpilalao iray ao amin'ny ekipa. A post shared by Padiet Wang (@padiet_wang10) Satria hotontosaina manomboka amin'ny 24 ka hatramin'ny 26 Febroary 2023 ny dingana 5 farany, hoketrehin'ny Bright Stars ny ho tafita hanao Mondialy voalohany amin'ny maha-Repoblika Demaokratika tanora indrindra azy manerantany.
https://mg.globalvoices.org/2022/09/29/159371/
Nahoana ny Nizeriana no mailaka tsy hiresaka ny fahasalamana ara-tsain'ny adolantsento?
2022-09-29T04:11:45
Unknown
Hetsi-panoherana tany Nizeria mba hampitsaharana ny fanilikilihana amin'ny aretin-tsaina tamin'ny 5 martsa 2021. Sary avy amin'ny Wikipedia Damilareadeyemi via (CC BY-SA 4.0) Firy ny ankizy tsy maintsy ho faty na hamarana ny fiainany vao takatsika fa zava-dehibe ny fahasalamana ara-tsaina? Mandra-pahoviana no tsy maintsy hijalian'ny tanora amim-pahanginana amin'ny olam-pahasalamana ara-tsaina, satria ny anti-panahy nizeriana salantsalany dia milaza fa “te-hisarika ny saina fotsiny” ry zareo? Milaza ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fahasalamana (OMS) fa mety hisakana azy ireo tsy hianoka sy hitondra fiainana feno fanambinana ny tsy famahana ny olana ara-pahasalamana eo amin'ny tanora. Ny ankizy,  Miatrika olana toy ny tsy fahampian-tsakafo, ny ratram-panahy, ny tsy fahitan-tory, sy ny maro hafatoy ny olon-dehibe ny ankizy. Koa nahoana isika no maika hiala amin'ny olany? Vanim-potoam-pamolavolana ny fahatanorana izay ahafahan'ny ray aman-drenin'ny ankizy sy ny tontolo iainana mandrafitra ny fahazarany, ny fomba fiainany, ary ny faharetany ara-pihetseham-po. Maro ny antony mety hanorina na handrava ny tanora iray mandritra io dingana io. Rehefa tsy voakarakara tsara, dia mety handratra azy ireo ny anton-javatra ara-batana, ara-pihetseham-po ary ara-tsosialy ary lasa manampy sakana amin'ny hirika (hararaotra) ho avy. Any Nizeria, na dia misy aza ny fampahalalàna tsikelikely ny olam-pahasalamana ara-tsaina ankapobeny, dia mbola kely na tsy misy fikarakarana ny fahasalamana ara-tsain'ny ankizy Nizeriana. Mitranga izany noho ny fihetsiky ny fiaraha-monina manoloana “ny aretin-tsaina efa voalokon'ny fitsarana an-tendrony sy ny fihevi-diso”, hoy i Torinmo Salau, mpanao gazety ao amin’ny gazety Nizeriana Guardian. Ankoatra izany, ny olam-pahasalamana ara-tsaina indraindray dia mifamatotra amin'ny finoana ara-panahy na ara-pivavahana, sy amin'ny toe-javatra sasany, tsiniana ho “ itoeran'ny fanahy ratsy ” ny olana, izay manasarotra ny olona hahazo ny fikarakarana ilainy. Tamin'ny fanadihadiana tamin'ny taona 2020 notontosain'ny Africa Polling Institute and EpiAFRIC tany Nizeria, 54 isanjaton'ireo namaly no nino fa ny olam-pahasalamana ara-tsaina dia vokatry ny fitoeran'ny fanahy ratsy (ao amin'ilay olona). Ny vokatry ny tsy firaharahiana ny fahasalamana ara-tsain'ny tanora Matetika tsy mazoto sy tsy mifantoka amin'ny fiainany any an-tsekoly ny tanora mandalo olam-pahasalamana ara-tsaina. Rehefa miatrika olana toy ny fahaketrahana na ny fanahiana ny ankizy iray, dia afaka mitoka-monina amin'ny hafa, mitarika ho amin'ny tsy fahaizana miaina anaty fiaraha-monina sy fianarana ambony. Toy izany koa, mety hanala ny ainy ny ankizy rehefa tsy voatandrina tsara na tsy ampy fiatrehana ny ahiahiny. Araka ny tatitry ny Famatsiam-bolan'ny Fanavotana Ankizy Iraisampirenena ao amin'ny Firenena Mikambana ( UNICEF ), “Ny famonoan-tena no antony fahefatra mahafaty ny ankizy 15–19 taona. Isan-taona, dia ankizy efa ho 46 000 eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 19 taona no mamoy ny ainy — zaza iray eo ho eo isaky ny 11 minitra.” Amin'ny fomba fisaina Nizeriana fa tsy dia goavana loatra izany aretina ara-tsaina izany, mazàna ny fiarahamonina manamaivana ny fihetseham-po miiba iainan'ny ankizy. “Tena ambany dia ambany indrindra eo amin'ny” tanora Nizeriana ny fahalalana (fahaiza-mamaky ny) ny fahasalamana ara-tsaina, araka ny nambaran'ny fanadihadiana nataon'ny farmasiana Deborah O. Aluh sy ny roa hafa. Saingy na dia mety ho ambany (kely) aza ny fampahafantarana, dia tsy izany kosa ny olam-pahasalamana ara-tsaina eo amin'ny tanora Nizeriana – tsy voalaza na tratra aoriana ny fandefasana azy any amin'ny hopitaly. Ny fanadihadiana nataon’ny Pleasure Ogbonna sy ny mpikaroka dimy hafa momba ny siansan'ny fitaizana zaza ao Enugu, any atsimoatsinanan’i Nizeria, no nahamarika ny skizofrenia (schizophrenia) ho “aretina ara-tsaina fahita indrindra” eo amin’ny tanora Nizeriana. Toy izany koa, mahatratra ny faratampony ny aretin-tsaina amin’ny faha-18 taonany ary “ambany indrindra amin'ny faha-15 taona”, hoy i Ogbonna. Ohatra, ny ankizivavy iray manana fikorontanan-tsaina amin'ny fihinanana sakafo dia mety ho voatrerona kokoa fa tsy ampiana noho ny fiheverana fa mety tsy tia mihinana fotsiny izy. Azo inoana fa tsy hahazo ny fanampiana ilainy mihitsy izy ary mety tsy hahazo fanoloran-tanana ara-pahasalamana ara-tsaina avy amin'ny hopitaly. Izany dia satria ny 3,5 isan-jaton'ny teti-bolan'ny fahasalaman'i Nizeria ihany no omena amin'ny fikarakaram-pahasalamana ara-tsaina, araka ny filazan'i Ogar Monday, mpanao gazety Nizeriana. Rehefa tsy miraharaha ny fahasalaman'ny sain'ny zanany ny ray aman-dreny, dia mety hisy ny tsy fifandraisan-kevitra eo amin'izy ireo izay mety hiteraka fifandirana ao amin'ny fianakaviana. Ohatra, raha tsy mety manaiky ny ray aman-dreny fa mangirifiry amin'ny fanahiana ara-tsosialy ny zanany, dia mety tsy ho takatry ny ray aman-dreny ny tsy fahavononan'ilay zaza hanatrika fivoriana anivom-piarahamonina, ary mety hitarika ho amin’ny famaizana tsy amin’antony izany. Ary koa, rehefa tsy voatandrina tsara ny toe-tsain’ny zatovo, dia mety hiteraka f itondran-tena sy toe-tsaina miiba izany; ohatra, milaza ny tomban'ny UNICEF momba ny Fahasalamana ara-tsaina sy ny Fanohanana ara-psykôsôsialy (MHPSS) mampiseho ankizy, indrindra any amin'ny faritra misy ady any avaratra-atsinanan'i Nizeria, miaina fikorontanan-tsaina, izay miseho amin'ny herisetra, fihetsika tsy tia fiaraha-monina, sy ny maro hafa. Noho izany, misy ny ankizy sasany mety hanapotika ny hoaviny amin'ny alàlan'ny fidirana amin'ny fitondran-tena maditra, ary mety hijaly noho ny olana ara-pahasalamana tsy voafehy ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny. Fampihenana ity toe-javatra ity Tsy afaka manohy mdify resaka fahasalaman'ny ankizy ny governemanta. Tokony hamorona toerana miasa afaka manampy amin'ny fitazonana sy fanaraha-maso ny olam-pahasalamana ara-tsaina mifandraika amin'ny zaza izy ireo ary manolotra azy ireo ny fanohanana ilainy mba hianohana fiainana salama sy tomady. Afa-miaraka amin'ny ONG-FTMF ry zareo hamatsy ara-bola sy ny hampivoatra ireo fotodrafitrasa ireo hanampiana ireo ankizy ireo rehefa tsy afaka manome fikarakarana sahaza ny ray aman-dreny. Ho an’ny ray aman-dreny mihitsy, manampy amin’ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny zaza iray ny manontanintany matetika. Na dia natioran'ny zaza sasany aza ny misokatra amin'ny ray aman-dreniny, dia hisy ny hanao izany. Rehefa tsapan'ny ankizy iray fa misy toerana tsara hiresahana ny olan'izy ireo, dia hahatsapa ho mahazo aina ry zareo hiresaka ny olana inoany hampanahy azy ireo. Ahafahan'ny ray aman-dreny izany hahafantatra tsara ny toe-tsain'ny zanany. Afaka mampiorina fifandraisana matanjaka kokoa eo amin'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina mihitsy koa aza ny mba manontanintany eny. Firenena mivoatra tsikelikely amin'ny lafiny maro i Nizeria, ao anatin'izany ny firoborobon'ny fahatakarana sy ny fanekena ny aretin-tsaina. Izany no antony maha-zava-dehibe ny fampahafantarana ity tranga ity. Ain-dehibe ny hanabeazan'ny tsirairay ny tenany bebe kokoa momba ny resaka fahasalamana ara-tsaina sy ny fiantraikan'izany amin'ny ankizy, ary manely ny teny avy eo. Tokony hokiviana ny fomba fisainan'ny tanora tsy nanavatsava ny resaka fahasalaman'ny saina. Rehefa heverintsika ny vokatry ny tsy fiatrehana ny toetry ny sain’ny zanatsika, dia miharihary fa tokony hisy ezaka amim-paifohazantsaina hiantohana ny fahombiazan’ny zanatsika. Mazava ho azy fa tokony ho ezaka iraisan’ny ray aman-dreny, ny fiaraha-monina ary ny fitondram-panjakana izany mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’ny tanora.
https://mg.globalvoices.org/2022/10/03/160192/
Fifidianana ao Angôlà: mandresy ny MPLA izay efa teo, saingy toherin'ny mpanohitra ny vokatra
2022-10-03T12:05:27
Unknown
João Lourenço, Filohabn'i Angôlà | Wikimedia Commons CC BY-SA 2.0 Ny 24 Aogositra, nanao fifidianana solombavambahoaka i Angôlà, izay hamaritra ihany koa ny ho filoha vaovaon'ny repoblika. Raha samy nandray anjar a daholo ireo antoko pôlitika hafa, antoko roa no tena nibahan-toerana nandritra ny fifidianana: ny MPLA, antoko eo amin'ny fitondrana ( Mouvement populaire pour la libération de l'Angola ), sy ny UNITA (Union nationale pour l'indépendance totale de l'Angola) , antoko mpanohitra goavana indrindra. Tao anatin'ireo hetsipanoherana sy ireo fiampangàna ny tsy fisiana fahatokisana, nambara ho mpandresy ny antoko MPLA eo amin'ny fitondrana. Nilaza ny Kaomisiôna Nasiônaly misahana ny Fifidianana fa nandresy tamin'ny 51.17 isanjaton'ny vato ny MPLA, raha 43,95 isanjato ny an'ny UNITA. Andro maromaro taty aoriana, nanitrikitrika ny filoha mpitarika ny UNITA, Adalberto Costa Júnior, fa tsy nandresy tamin'ny fifidianana ny MPLA, ary nolazainy fa tsy maneho ny tena zavanisy tamin'ny latsabato ireo vokatra . Nilaza ihany koa i Júnior fa hanao izay rehetra tratry ny heriny izy hiantohana ny fanisàna manontolo ny vatom-pifidianana rehetra. Nanoso-kevitra i Adalberto Costa Junior mba hananganana iraka iraisampirenena hanao fampitahàna ireo firaketana ny fifidianana solombavambahoaka, tamin'ny filazana fa manana vaovao izy momba ireo tsy fitoviana marobe tamin'ny voka-pifidianana vonjimaika natolotry ny Kaomisiôna Nasiônaly misahana ny Fifidianana (CNE) : A direcção nacional da UNITA desafia a CNE a, em nome da verdade, aceitar a estruturação de uma comissão com participação internacional para ser feita a comparação das atas síntese em posse da CNE com as atas síntese em posse dos partidos políticos. Manao fanamby amin'ny CNE ny mpitarika foiben'ny UNITA, amin'ny anaran'ny fahamarinana, mba hanekeny ny fananganana kaomisiôna iray misy ny fandraisana anjaran'ny iraisampirenena mba hampitaha ireo tatitra misy ny antontanisa eo an-tànan'ny CNE amin'ireo tatitra misy ny antontanisa eny an-tanan'ireo antoko pôlitika. Ho valin'ny fitarainan'ny UNITA, nisy didy iray— navoakan'ny Fitsaràna Araka ny Lalam-panorenana, tamin'ny 5 Septambra ary nosoniavin'ny sivy tamin'ireo mpitsara niisa folo nivory nandritra ny fotoam-pivoriana maharitra, nandàvana ny fampakarana nataon'ny UNITA . Araka ny nambaran'ny fitsaràna dia tsy feno ireo fepetra notakiana, araka ny andininy faha-399 sy ny Fehezandalàna momba ny Lamina Sivily . Amin'ny ankapobeny, raha nankalaza ilay fandresena ny MPLA sy João Lourenço, mpitarika azy, marobe ireo Angoley niady hevitra momba ireo voka-pifidianana, tao amin'ny media sôsialy sy teny an'arabe. Araka ny tatitry ny DW, tamin'ny andro farany nanambaràna ny vokatra farany, feno pôlisy nirongo fiadiana tany amin'ny tanàna maro nanodidina an'i Luanda. Nisy ihany koa ireo tatitra nilaza fisamborana nanerana ny firenena sy, araka ny angondrakitra avy amin'ny hetsika sivika Mudei, nitànana mpikatroka manodidiny 20 eo ho eo . Fifidianana tao Angôlà Misy mpifidy manodidina ny 14 tapitrisa eo ho eo ao Angôlà. Maharitra dimy taona ny fe-potoam-piasana ho an'ny filoha sy ireo solombavambahoaka, ary ny filoha iray dia afaka mamita fe-potoam-piasàna in-droa. Miaraka amin'ny fiovàna ao anatin'ny lalàna, natao tamin'ny 2020, ho an'ny solombavambahoaka sy ny filoha dia mifidy antoko tokana ny vahoaka, ary ny mpitarika izay antoko nahazo vato be indrindra no lasa filoha. Governora notendren'ny filoham-pirenena no mitantana ireo faritany miisa 18 ao amin'ny firenena. Amin'ireo seza miisa 220 ao amin'ny antenimiera, ny MPLA no manana ny maro an'isa, seza 150 amin'izao fotoana izao, saingy ny mpifaninana avy amin'ny afovoany-havanana, Adalberto Costa Júnior, no heverina hampitsimbadika ny kajy ao amin'ny antenimiera amin'ireo fifidianana ireo. Sambany no nisy fifidianana natao tao amin'ny firenena hatramin'ny 1992, izay nitondràn'ny MPLA hatramin'ny 1975 nahazoan'i Angôlà ny fahaleovantena. João Manuel Gonçalves Lourenço, 68 taona, no filoha hatramin'ny 2017, ary efa Minisitry ny Fiarovana teo anelanelan'ny 2014 sy 2017.
https://mg.globalvoices.org/2022/09/28/159773/
Tatitra Unfreedom Monitor: Zimbaboe
2022-09-28T03:59:29
Unknown
Sarin'i Ameya Nagarajan Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny sivana ataon’i  Zimbaboe amin'ny aterineto ity. Vakio ato ny tatitra feno. Niainga tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany ny tsirefesimandidy nomerika ao Zimbaboe rehefa nampihatra ny politikam-pitantanana ny serasera sy ny fampitam-baovao ny fitondrana Rhodesiana izay natsangana hanohanana ny governemanta tamin'izany fotoana. Notarihin’ Itompokolahy Robert Mugabe, nandrisika ny tontolon'ny fampitam-baovao arahina famerana ihany koa ny governemanta mahaleo tena tamin'ny lalàna mikasa ny hifehy sy hanenjika ireo feon'ny mpanohitra. Tamin’ny fotoana vao nanombohan’ny aterineto tao amin'ny firenena teo an-tenantenan’ny taona 90, tsy hita ho tena loza mitatao ny habaka satria mbola maro ny olom-pirenena tsy nampiasa ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao sy ny serasera. Taorian'ny nahatonga ny Facebook ho malaza tamin’ny loharanom-baovao tamin'ny taona 2010, tao anatin'ny tontolon'ny fampitam-baovao nifanenjana, no vao nitombo ny fahalianan'ny fanjakana tamin'ny fampitam-baovao ampiasain'ny mponina. Avy amin'ny faniriana mihoa-pampana hitazonana ny zava-misy tsy miova sy ny fanjakazakana no antony fototra isian'ny famoretana nomerika hita tamin'ny fikarohana, izay vitsy amin'ireo sangany eo amin'ny fitondrana no mahatsapa ho manan-jo ho tompon'ny firenena. Ohatra, tsy maintsy nesorina ny fandrahonan'ny fanovana revolisionera avy amin'ny fanetsehana ny media sosialy. Tsy nitondra fiovana ifotony ny fanonganam-panjakana miaramila tamin'ny volana Novambra 2017 izay nanongana an'i Mugabe mpitondra efa hatry ny ela fa kosa nanome tany lonaka ho an'ny fomba fiasa miaramila kokoa amin'ny fitantanana, tsy misy fiheverana loatra ny lalàmpanorenana. Manitsy hatrany ny lalàmpanorenana neken’ny firenena tamin’ny taona 2013 ny fitondrana ankehitriny, satria nikasa ny hanitatra ny fahefana mpanatanteraka eo amin’ny fitsarana sy ny mpanao lalàna ny filoha. Noho ny fahatsapany ny maha-zava-dehibe ara-stratejika na ny fampitam-baovao na ny tontolo nomerika anjotra, mahita ireo habaka roa ireo tsy ho fitaovana hanomezana hery ny olom-pirenena handray anjara amin'ny dingana demokratika fotsiny ny fitondrana miaramila, fa ho fitaovana amin'ny fanamafisana ny fahefana politika kokoa. Miankina betsaka amin'ny toe-draharaham-pirenena ny fepetra politika sy ara-pitsarana izay tsy maintsy ho ampiasain’ny fanjakana Zimbaboeana ny teknolojia mba hanamafisana ny toe-java-misy, ary miankina amin'ny toe-draharaha politika sy ny firenena ny fahombiazan’ny fitondran’ny zo nomerika. Ampahany lehibe amin'ity dingana ity ny lalàna. Navoaka ny lalàna manome fahefana manokana mba hanaratsiana ny fanoherana ara-drariny amin'ny politika tsy tiam-bahoaka sy ny fomba fitarihana ara-politika. Misy fiantraikany amin'ny zo nomerika ity lalàna vaovao ity satria mampivohitra famoretana. Olana maika ihany koa ny fitaoman’ny governemanta sy ny orinasa vahiny amin'ny famolavolana ny tontolo nomerika ao Zimbaboe. Araka ny hasehon'ny fanadihadiana, mikatsaka amin’ny fomba mahery setra ny ho tafavoaka velona amin'ny tontolo ara-politika sy ara-toekarena tsy mitsaha-miova vokatry ny fanatontoloana ny fitondrana tsirefesimandidy, amin'ny alalan'ny fampiasana fomba toy ny fampiasana ny teknolojian'ny fanaraha-maso, ny fanangonana tsy misy fanaraha-maso ny angondrakitra biometrikan'ny olom-pirenena, ary ny famoahana ny lalàna henjana. Mpiray tsikombakomba amin'ny fanitsakitsahana ny zo nomerika sy ny fanakatonana ny habaka sivily na amin'ny sehatra an-tserasera sy ivelan'ny aterineto fotsiny ihany ireo mpisehatra manan-danja fantatra fa mamatsy ny governemanta amin’ny teknolojian'ny famoretana nomerika. Vakio ato ny tatitra feno. The Unfreedom Monitor Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Vakio ato ny tatitra feno.
https://mg.globalvoices.org/2022/10/18/160403/
Niteraka hatezeran'ny vahoaka Gambiana ny fahafatesan'ireo ankizy miisa 69 vokatr'ilay odi-kohaka vita avy tao India.
2022-10-18T03:04:27
Unknown
Tsenan'i Tanji, manamorona ny ranomasimbe Atlantika ao Gambie. Sary an'i Rafael Vila , 18 Oktôbra 2015 ( CC BY-NC-ND 2.0 ) Nivoaka voalohany tao anatin'ny The Alkamba Times ity lahatsoratra ity tamin'ny 9 Oktobra 2022. Ity ampahany nasiam-panitsiana ity dia naverina navoaka indray eto  amin'ny Global Voices araka ny fifanarahana fiarahamiasa hifanome votoaty. Tafiditra tao anatin'ireo lohatenim-baovao nalaza be erantany i Gambia taorian'ny fanairana ara-pahasalamana eran-tany navoakan'ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS) tamin'ny 5 Oktobra lasa teo. Nilaza ny OMS fa efatra ireo odi-kohaka sy sery no nisy ifandraisany tamin'ilay fahafatesana zaza miisa 66 tao amin'ilay firenena kely iray tao Afrika Andrefana. Tamin'ny 8 Oktobra, nandritra ny vela-dresaka ho an'ny mpanao gazety tao Banjul, renivohitr'i Gambia, nilaza ny minisitry ny Fahasalamana, fa zaza telo hafa koa no maty, nameno ny isan'ny maty ho 69. Ny Promethazine Oral Solution, Kofexmalin Baby Cough Syrup, Makoff Baby Cough Syrup, sy ny Magrip N Cold Syrup izay samy nisy nifandraisany tamin'ireo fahafatesana dia novokarin'ny mpanao fanafody indiana Maiden Pharmaceuticals Ltd., ao New Delhi daholo. Azo saintsainina ho mifandray amin'ny aretina henjana mpahazo ny voa (IRA) mahazo ny ankizy ao Gambia ireo odi-kohaka ireo. Fihenana tampoka amin'ny fiasan'ny voa ny IRA izay manampy trotraka ny tsy fahampian'ny asany izay mivoatra ao anatin'ny fito andro monja. Mihetsika ireo Gambiana manohitra ilay odi-kohaka nahafaty Mba hamaritana ny fihetsiky ny vahoaka manoloana ity fivoarana ity, nitafatafa tamin'ireo olona marobe ny The Alkamba Times, media mpiara-miasa amin'ny Global Voices, izay nahitana mpisehatra amin'ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpikatroka miaro ny zon'olombelona, izay maro tamin'izy ireo no nanameloka ny tomponandraikitra Gambiana noho ny tsy fitandremana ary niantso ny fandraisana andraikitra sy ny rariny ho an'ireo tra-doza. “Ny famoizana zaza manodidina ny 70 taorian'ny aretina henjana mpahazo ny voa (IRA) voakatr'ireo odi-kohaka tsy madio tsara dia tsy hoe mampalahelo fotsiny, fa maneho mazava ny tsy fahaiza-manao sy ny fanaovana tsinontsinona avy amin'ireo tomponandraikitra mahefa”, hoy ny nambaran’ i Dawda Nenegalleh Jallow, mpisehatra amin'ny fahasalamam-bahoaka . “Amin'ny fo tsy miangatra, dia tokony ho nomen'ny minisitry ny Fahasalamana sy ny tale mpanatanteraky ny Masoivoho Fanaraha-maso ny Fanafody (MCA) mba ho an'ireo olona mahavita azy ny toeran'izy ireo mba hitantanany an'io andraikiny io,” hoy izy nanampy. Ny MCA no tomponandraikitra amin'ny fandrindrana ny kalitao, ny fiarovana, ny fanafarana, ny fanamboarana ary ny fitsinjaràna  fanafody ao Gambia. Nambaran'i Alhagie Sillah, mpitsabo mpanampy iray, voakatry ny fanaovana tsinontsinona lehibe ireny fahafatesana ireny. “Alaivo sary an-tsaina hoe orinasa iray voalaza ho mpamokatra fanafody tsy nahazo alalana hivarotra ny vokany akory raha tsy tao Gambia irery, fa tsy tsy India namokarany azy akory aza. Mampalahelo izany !”Hoy ny fitarainan'i Sillah feno hatezerana. Gambiàna iray, mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, Madi Jobarteh, no nitaky fanadihadiana sy fandraisana andraikitra. Nilaza i Jobarteh fa “tsy tokony ho faty noho ny tsy fahadisoany ireo zaza tsy manan-tsiny. Manan-jo ho velona sy hahazo fikarakaràna ara-pahasalamana tsara izy ireny, saingy voahitsakitsaka ireo zo ireo. Nividy ireny fanafody ireny ny ray aman-dreniny noho ny finoany mafy fa azo antoka ny fanafody ao amin'ity firenena ity. Saingy, namitaka azy ireo ny rafitra.” Mariama Jallow, renim-pianakaviana iray, no nilaza fa ny tahotra hampiasa odi-kohaka manokana no nanery an'ireo olona hanome fanafody nentim-paharazana ho an'ny zanak'izy ireo, izay heverin-dry zareo fa mety ho azo antoka kokoa noho ireo fanafody mahazatra. Ahmad Tijan Bah, mpianatra iray amin'ny anjerimanontolo ao Gambia, no nilaza fa “tokony tazonina ho tomponandraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo zaza ny Masoivoho Mpanara-maso ny Fanafody satria tsy nanao ny asany hisorohana ilay zava-nitranga.” Musa Touray, olom-pirenena iray hafa sahiran-tsaina,  no nilaza fa azo nosorohana ny loza na nahena raha toa ny governemanta nampiditra ireo fanafody mahazatra. Ny fahafatesan'ireo zaza dia nofaritany ho mitovy amin'ny famoizana olona iray izay tokony ho lasa ministra amin'ny ho avy na filoha na mpisolovava, “vokatry ny kinanga tanteraka izany rehetra izany”. Nanoro hevitra i Touray ny mba hametrahana fepetra fanarahamaso ny kalitao eny amin'ireo sisintany an-tanety, an'habakabaka ary an-dranomasina mba hitiliana izay rehetra fanafody tsy manara-penitra miditra ao amin'ny firenena. Miditra an-tsehatra ny governemanta Nandritra izany fotoana izany, ny filoham-pirenen'i Gambia, Adama Barrow, tao anaty lahateniny ho an'ny firenena tamin'ny 8 Oktobra, dia nanome alalana ny Masoivoho Mpanara-maso ny Fanafody, amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamana, mba hampiato ny fahazoandalana ho an'izay mpivarotra fanafody sy ny mpanafatra ahiahiana. Nanome baiko ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ihany koa ny filoham-pirenena mba hampahafantatra ny tena mamapiasa laoaha fatratra ny firenena mikasika ity olana ity amin'ny Masoivohon'i India ao Gambia. Ho toy ny antony hafa amin'ilay hetsika, dia nampanantsoin'ny polisy Gambiana mba hanaovana fanadihadiana ilay voarohirohy ho tompon'ny fivarotam-panafody sy mpanafatra odi-kohaka, ary koa ireo tomponandraikitra ambony amin'ny Masoivoho Mpanara-maso ny Fanafody mba hanotrona azy ireo amin'ny fanadihadiana ataony. Miverina mandinika ireo ambangovangon'ny fankatoavana fahazoandàlana momba ny fanafody sy ny fitsaboana ihany koa ny governemanta mba hamaritana izay fepetra hafa tokony ho raisina. Mandritra izany, nandefa delegasiona mahery vaika ny Filoha Barrow mba hihaona amin'ny fianakavian'ireo mana-manjo vokatry ny trangam-pahafatesana nateraky ny IRA, mba haneho ny fiarahamiory avy amin'ny governemantany sy hizara ny alahelony amin'izao fotoan-tsarotra izao. Nanome toky ny fianakaviana sy ny vahoaka ihany koa izy ny amin'ny fanolorantenan'ny governemantany mba hanazava mikasika ireo fahafatesana nateraky ny IRA sy ny mety ho azo atao mba hisorohana ny fiverenan'izany. Lavin'ny Ministry ny Fahasalamana ny fangatahana azy hametraka fialàna. Ao anatin'ny hatezeram-bahoaka noho ireo fahafatesana, nolavin'i Dr.Amadou Samateh, minisitry ny Fahasalamana ao amin'ny firenena, ny fangatahana azy hametraka fialàna. Tao anatin'ny resaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 8 Oktobra, niaiky i Samateh fa vokatry ny “antandrevaka” nataon'ny ministerany no nitarika ny fahafatesan'ireo ankizy. Na izany aza anefa, nandà ny fitakiana ny  fametrahany fialàna izy. “Fa ahoana aho no tadiavinareo hametra-pialana ? Mitondra inona ny fametrahako fialàna ?”, hoy ny fanontanian'ilay minisitra nandritra ny resaka ho an'ny mpanao gazety. “Naharay antso maro aho androany, satria ireo olona sasany aza dia nieritreritra mihitsy fa nametra-pialàna aho. Raha mametra-pialàna aho dia mpandidy mahay ary be atao. Noho izany dia tsy reska momba ny tenako manokana izany, vahaolana tsotra loatra handosirana ny fametraham-pialàna”, hoy i Samateh. Nilaza i Dr.Samateh fa ny tabataba rehetra manodidina ny asany dia satria izy nanidy ny varavarany tsy ho amin'ny fanaovana kolikoly eo amin'ny sehatry ny fahasalamana, nanamafisany fa “niova ny toetsain'ny minisitera eo amin'ny lafiny fandraisana andraikitra”. Nanome toky ireo Gambiàna ny Ministeran'ny Fahasalamana fa tsy hiverina intsony ao amin'ny firenena ilay loza mahatsiravna nateraky ny IRA. Nandritra izany fotoana izany, nanambara fanokafana fanadihadiana mikasika ny fahafatesan'ireo zaza ny polisy Gambiana ary nivoady fa hitazona izay olona rehetra afaka  hampamoahana. “Nametraka kaomisiona fanadihadiana iray ny polisy Gambiana mba hanao fanadihadiana avy hatrany mikasika ilay raharaha mba hamantarana ireo tomponandraikitra tamin'ny famoizana tsy azo arenina tahaka izany sy hitazona azy ho tomponandraikitra araka ny tokony ho izy”, hoy ny nambaran'ny polisy tao anatin'ny filazàna iray navoaka tamin'ny Sabotsy. “Amin'ny maha-andrimpanjakana tomponandraikitra amin'ny fiarovana anatiny sy ny fiarovana ny aina sy ny fananana, manana adidy izahay hiatrika ireo olana miezinezina tahaka izany ka mety hanohintohina ny fandriampahalemana sy ny filaminan'ity firenena ity.” Nanampy ihany koa ny polisy fa : “Ao anatin'ny ezakay hiatrika  haingana an'ity olan'ny filaminam-pirenena ity, ny biraon'ny inspektera jeneralin'ny polisy dia nanangana komity iray  mpanadihady ahitana ireo polisy manamboninahitra ambony manana ny fahalalana sy fahaizamanao ilaina mifandraika amin'ity olana lehibe ity.”
https://mg.globalvoices.org/2022/09/26/159036/
Ahoana no nanaovan'ny governemanta ao Sodàna ho ara-dalàna ny fanasokajiana sy ny fanivanana votoaty amin'ny aterineto?
2022-09-26T03:11:12
Unknown
Sary avy amin'i Ameya Nagarajan Imbetsaka nakatona ny aterineto tao Sodana nanomboka tamin'ny taona 2018 taorian'ny revolisiona . Nanjary mahazatra ihany koa ny fanakatonana ny media sosialy hatramin'ny nanakanan'ny governemanta ny YouTube nandritra ny fifidianana tamin'ny taona 2010 taorian'ny fandefasana lahatsary iray mampiseho hoso-pifidianana tao amin'ny media sosialy. Nosakanan'ny manampahefana Sodaney ny fidirana amin'ny sehatra media sosialy maro toy ny Facebook, Twitter, WhatsApp, ary Instagram mba hanakanana ny olona hizara vaovao momba ny hetsi-panoherana izay niafara tamin'ny fanonganana ny filoha teo aloha, Omer Al Bashir tamin'ny taona 2019. Tsy nilaza ny antony nahatonga ity fanakatonana ny media sosialy ity ny manampahefana. Ahitana fanakatonana fidirana aterineto am-pinday matetika ny ankamaroan'ny fanakatonana ny aterineto ao Sodàna. Afaka miditra amin'ny aterineto amin'ny alàlan'ny fifandraisana aterineto an-tariby ny olona mandritra ny fanakatonana, ​​​​izay ankavitsiana izany ankoatra ny any amin'ny orinasa ‘vaventy). Na dia efa naverina tamin'ny laoniny aza ny aterineto tamin'ny volana Jolay sy Novambra 2021 , dia mbola tsy azo nidirana ireo sehatra media sosialy ka voatery nampiasa VPN ny olona mba hidirana amin'izy ireo. Matetika tsy mahazo fampitandremana momba ny fanakatonana ho avy ny olom-pirenena. Mandeha ny data findain'izy ireo iray minitra, ary maty indray iray minitra manaraka. Indroa ihany ny governemanta no nanambara ny fikasany hanakatona ny aterineto tao anatin'ny roa taona nisehoan ‘izany, ireo fotoana indroa ireo dia nandritra ny fanadinan'ny sekoly ambaratonga faharoa. Nandefa SMS tamin'ny mpanjifa ny mpanome tolotra fifandraisandavitra, nilaza hoe: “Under the direction of the judicial authorities, the internet will be cut daily during the Sudanese certificate exam sessions from 8 am until the end of the session at 11 am.” “Eo ambany fitarihan'ny manampahefana ara-pitsarana, ho tapaka isan'andro ny aterineto mandritra ny fotoam-panadinana sodaney manomboka amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny fiafaran'ny fanadinana amin'ny 11 ora.” Tsy namaritra ny lalàna izay nandraisan'ny manampahefana io fanapahan-kevitra io ny hafatra. Efa mahazatra ny fanakatonana sy ny fikorontanan'ny aterineto ao Sodana. Nakaton'ny governemanta imbetsaka ny aterineto finday tamin'ny taona 2020 sy 2021 nandritra ny adim-poko , ny fanadinana ambaratonga ambony , ary ny fanonganam-panjakana tamin'ny 25 Oktobra 2021 notarihan'ny Komandin'ny Tafika Lt. Jeneraly Burhan. Fitaovana lehibe ahafahana mamela ireo fanakatonana ireo ny lalàna satria miankina amin'ny Lalàna mifehy ny Tafika , ny lalàna momba ny Fiarovam-bahoaka , ary ny lalàna mifehy ny Fahefana mandrindra ny Fifandraisan-davitra sy ny Paositra (TPRA) ny governemanta mba hanomezana azy ireo izany fahefana izany. Na izany aza, manana fitsipika hiarovana ny fahazoana votoaty amin'ny tranonkala i Sodàna . Namoaka fitsipika iray ny TPRA tamin'ny taona 2020 ary nankatoavin'ny Mpikambana ao amin'ny Filankevitra Manampiandrianana Jeneraly Ibrahim Jaber satria teo ambany fiahian'ny miaramila ny sehatry ny fifandraisandavitra tamin'izany fotoana izany. I Jaber ihany koa no filohan'ny filankevi-pitantanan'ny vondrona Sudatel , mpandraharahan'ny fifandraisandavitra nasionaly izay miasa any amin'ny firenen-kafa ankoatra an'i Soudan, toa an'i Maoritania sy Sénégal. Antsoina hoe “Ny fitsipika 2020 momba ny fanivanana votoaty sy ny fanakatonana ny tranonkala amin'ny aterineto” ilay fitsipika. Navoaka izany araka ny andininy faha-88 (1) amin’ny lalàna TPRA 2018 izay ahafahan’ny filankevitry ny TPRA mamorona fitsipika hampiharana ny lalàna. Nanery ny TPRA mba hanome amin'ny orinasam-pifandraisandavitra ny lisitry ny rohy URL hosakanana sy hosivanina ilay fitsipika, ary “manaramaso isan'andro” ny fitaovana fanivanana mba hanamarina fa misy fanavaozana izany. Nanery ireo mpamatsy tolotra aterineto sy ireo mpandraharaha mba hanome “valiny avy hatrany” amin'ny fangatahana fanakanana avy amin'ny TPRA sy tsy hiraharaha izay fangatahana avy amin'ny orinasa hafa tsy misy didim-pitsarana ihany koa ilay fitsipika. Vokatr'izany, nanome zo ny tenany hanakana tranonkala tsy misy didim-pitsarana ny manampahefana no sady mitaky ny handehanan'ny hafa eny amin'ny fitsarana. Nanery ireo mpamatsy tolotra aterineto sy ny orinasam-pifandraisandavitra ihany koa ny fitsipika mba hanome azy ny fidirana amin'ny Graphical User Interface (GUI) amin'ny rafitra sivana, ka manome antontanisa sy tatitra tsindraindray momba ireo tranonkala sy pejy voasivana. Nampiasaina hanamarinana ity fanakanana ity ireo teny manjavozavo toy ny “finoana”. Ny andininy faha-14 ao amin'ny lalàna mifehy ny fanivanana sy ny fanakanana votoaty amin'ny aterineto dia nilaza hoe: “Tsy maintsy manome ny rafitra ara-teknika ilaina ireo orinasan'ny fifandraisandavitra mba hiarovana ny tambajotran'izy ireo sy ny serivisy omen'izy ireo manoloana ny fampiasana mifanohitra amin'ny finoana sy ny fitondran-tenam-bahoaka. Raha manaraka ny fanaraha-maso, ny fomba fiasa ary ny fepetra takiana amin'ny fanivanana sy fanakanana nofaritan'ny manampahefana. ” Tsy namaritra ny atao hoe “finoana” ilay fitsipika: finoana silamo ve sa misy ifandraisany amin'ny fivavahana na firehan-kevitra hafa? Nosokajian'ny lalàna ho ao anaty karazany roa ny lisitry ny fanakanana sy fanivanana: eo an-toerana sy ara-barotra. Namaritra ny lisitra ara-barotra ho: “Lisitry ny fanasokajiana izay ao anatin'ny rafitra sivana sy fanakanana avy amin'ny mpamatsy rafitra, izay misy ny fanasokajiana iraisam-pirenena ny lisitry ny sivana” izany, raha namaritra ny lisitra eo an-toerana ho: “Lisitra anatiny nomanin'ny manampahefana amin'ny alalan'ny fampidirana ireo tranonkala nosokajian'ny manampahefana na voarain'ny mpiserasera taorian'ny fandinihana azy ireo sy manome antoka fa ahitana fitaovana voaràra izy ireo.” Ahitana sokajy 13 izay “voafidy hosakanana” ny lisitra ara-barotra. Ireo sokajy ireo dia ahitana ireo tranonkala momba ny zava-mahadomelina, ny toaka, ireo tranonkala momba ny paraky, ny sary vetaveta misy ankizy, ny fanaovana fitaovam-piadiana, ny rindrambaiko mpisompatra, ary ny spam. Ahitana sokajy manjavozavo ihany koa ny lisitra toy ny “tranonkala manafintohina ny fivavahana sy miantso ny tsy finoana an'Andriamanitra”, fandavana ny fanajana ny fahalalahana amin'ny finoana amin'ny fanasokajiana ny tsy finoana an'Andriamanitra ho hetsika tsy azo kitihana. Mahagaga fa manasokajy ireo tranonkala VPN ho tsy mahazo alalana ny lisitra. Manakana ny tranonkala Peer-to-Peer toy ny BitTorrent ihany koa izy. Azo. Nanome zo ireo manampahefana ny fitsipika mba hampiditra an-kalalahana sokajy vaovao, amin'ny fanomezana anarana ny sokajy farany ao amin'ny lisitra ara-barotra ho toy “ny fanasokajiana hafa rehetra izay sokajian'ny manampahefana”, manokatra sehatra midadasika hanakanana amin'ny fomba ara-dalàna ny fidirana amin'ny votoaty amin'ny tranonkala. Nanao sonia sy nankatòa ny Fifanekena Iraisam-pirenena momba ny Zon'ny Sivily sy Politika (ICCPR) , sy ny Fifanekena Iraisam-pirenena momba ny Zo Ara-toekarena, Sosialy ary Kolontsaina (ICESCR) i Sodàna. Mpanao sonia ny Sata Afrikana momba ny Zon'olombelona sy ny Vahoaka (ACHPR) ihany koa Sodàna ary nankatòa ny lalàna, izay miantoka ny zo amin'ny fahalalahana mivory, ny fahalalahana maneho hevitra, ary ny zo hahazo vaovao. Na eo aza izany fankatoavana izany, tsy mifanaraka amin'ny fenitra iraisampirenena ny lalàna anatiny Sodaney ary tsy miantoka ny zo nomerika ho an'ny olom-pireneny. Tsidiho azafady ny pejin'ny tetikasa raha hijery lahatsoratra maro kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor .
https://mg.globalvoices.org/2022/09/19/159916/
Tatitra Unfreedom Monitor: Tanzania
2022-09-19T04:33:45
Unknown
Sary avy amin'i Ameya Nagarajan Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny sivana ataon’i Tanzania amin'ny aterineto ity. Vakio ato ny tatitra feno. Mihemotra ny demokrasia any Tanzania. Mampiseho ny endriky ny fanjakana antoko tokana i Tanzania raha tokony ho firenena misy antoko maro izy araka ny lalàmpanorenana. Tahaka any amin'ny ankamaroan'ny governemanta tsirefesimandidy, heverina ho toy ny “fandrahonana ny filaminam-pirenena” ny zavatra rehetra ahafahana miditra amin'ny fanehoan-kevitra ho an'ny daholobe. Nandritra izany fotoana izany, nanova ny fomba nivoaran'ny politika ao Tanzania ny teknolojia nomerika, manomboka amin'ny fanentanana sy famoriam-bahoaka misy ka hatrany amin’ny habaka Twitter an-tserasera ary ny fampiasana sehatra horonantsary toy ny YouTube sy Facebook Live mba hiresahana amin'ny mpifidy. Nanome sehatra ireo hirika ireo rehefa mandrara ny famoriam-bahoaka ara-politika ny governemanta ka nahatonga ny mpanohitra hitsikera ny governemanta sy hikatsaka ny mangarahara. Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana ny Filoha Magufuli tamin'ny taona 2015, norarana ny fandefasana mivantana ny fotoam-pivorian'ny parlemanta , toa hoe satria fandaniam-bola be ho an'ny governemanta izany. Dingana goavana amin'ny fitazonana ny olom-pirenena ho ao anatin'ny tsy fahalalana mihitsy ny fandraràna ny fandefasana mivantana ny fivorian'ny parlemanta rehefa napetraka sy nolaniana ho lalàna nefa tsy nahafantatra momba izany ny olom-pirenena. Maro no nanontany ny amin’ny fomba nandaniana ireo lalàna ireo, ary voamarika fa tsy naharitra ny fe-potoana ary tsy mahasolontena ny fakàn-kevitra tamin’ny vahoaka. Anisan'ireo lalàna nolaniana ny fanitsiana ny Lalàna momba ny (Antontanisa), sy ny Fitsipika mifehy ny Elektronika sy ny Paositra. Nampihatra ny fahefany tamin'ny sehatra nomerika tamin'ny fomba telo lehibe i Tanzania: Fanaraha-maso : Sehatra iray tsy dia nisy fameperana firy ny fitantanana ny angondrakitra ao Tanzania satria mbola misy lalàna miresaka tsara momba ny zavatra toy ny fiarovana ny angondrakitra sy ny fitanan-tsiambaratelo. Na izany aza, manome bahana ho an'ny sampan-draharaham-panjakana hiditra amin'ny zava-misy sasany ny lalàna toy ny Lalàna momba ny Heloka An-tserasera rehefa mety amin'izy ireo izany. Sivana amin'ny Aterineto : Nitranga tamin'ny taona 2020 ny fanakatonana voalohany ny aterineto tao Tanzania ary tsy nahagaga, satria efa nampiseho saina mena ny firenena amin'ny resaka sivana amin'ny aterineto. Nahatonga ny maro hino ny fanaraha-maso sy ny fandrindrana ny hoe iza ary inona no votoaty azo aseho amin'ny aterineto fa eo an-dalam-pananganana ny mitovy amin'ny Rindrin’Afo Lehibe ao Shina i Tanzania izay hitazona ny habaka ho fehezina sy hahetsiky ny tetipanoron'ny governemanta. Famerana araka ny lalàna : Ampiasaina io hamerana ny fahalalahana maneho hevitra sy hanakanana ny fanehoan-kevitra. Nosakanana tamin'ny alalan'ny lalàna ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, nandoavana hetra ny asa fanaovan-gazetin’ny olom-pirenena, ary nosokajiana ho fikomiana na fampahalalam-baovao diso ny fahalalaham-pitenenana. Manokatra ny lalana ho an'ny fitondram-panjakana izany hifehezana ny fitantarana sy hampisara-kevitra. Nampikatso ny fampahalalam-baovao ny tsirefesimandidy nomerika ao Tanzania ary namorona rivo-piainana hisian'ny tahotra, ahiahy ary fihenjanana teo amin'ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny. Rehefa mitaraina amin'ny tsy fahombiazan’ny governemanta ny olom-pirenena, dia natao matetika ho antony tsy ahafahan'ny olom-pirenena mizara ao amin'ny media sosialy ny ratsy sy ny faharatsian'ny fiainam-bahoaka ao Tanzania ny fitiavan-tanindrazana sy ny nasionalisma. Vakio ato ny tatitra feno. The Unfreedom Monitor
https://mg.globalvoices.org/2022/09/22/159526/
Manandratra avo ny Teny Moore i Alhassan Alidu amin'ny alalan'ny fitondrana izany an-tserasera
2022-09-22T13:04:01
Unknown
Sary natolotr'i Alhassan Alidu ary nampiasaina nazahoana alalana. Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ireo andiana antsafa  nifanaovana tamin'ireo vahiny mpampiantrano ny kaonty @DigiAfricanLang amin'ny fanentanana mihodina ao amin'ny Twitter-n'ny Rising Voices Tena miasa marina tokoa mba hitondràna ny fiteny Moore ho anatin'ny tontolo nomerika i Alhassan Alidu. Iray amin'ireo fitenim-paritra ofisialy roa ao Burkina Faso ao Afrika ny fiteny Moore. Ireo Mossis toa an'i Alhassan no miteny azy io betsaka. Ny vahoaka Mossi no vondrona foko lehibe indrindra ao Burkina Faso, ahitana vahoaka Mossi manodidina ny 6 tapitrisa monina ao amin'ny firenena ankehitriny ary monina any ivelan'ny firenena toa an'i Ghana sy Côte d'Ivoire ireo hafa. Tamin'ny 1896, nozanahan'ny Frantsay i Burkina Faso ary nijanona ho voazanaka izy mandrapahazony fahaleovantena tamin'ny 1960. Noho io antony io dia ny frantsay no fiteny ara-teknika ofisialy ao amin'ilay firenena. Ny fiteny Moore no be mpampiasa kokoa, saingy araka izay marihan'i Alhassan, ireo lovan'ny fanjanahana dia miasa ho toy ny sakana ho an'ny fampiasana ara-nomerika ny fiteny Moore sy ireo fitenim-paritra hafa. Amin'ny maha-tale mpantanteraka amin'ny Moore Wikimedia Community an'i Alhassan, dia omeny sehatra eo amin'ny habaka nomerika ny fiteny Moore, eo anatrehan'ny fanjazakazakan'ny haino aman-jery sy fiteny Tandrefana (ohatra ny fiteny frantsay sy anglisy), ary avelany hisy ny fiparitahana midadasika sy fahafahana miditra kokoa amin'ila y fiteny. Namorona pejy YouTube ihany koa izy misy an'ireo loharanon-kevitra ilaina manazava ny fomba fampiasana ny Wikimedia, ary koa ny kaonty Instagram manome toromarika momba ny fiteny sy manasongadina ny fandraisana anjara ataon'ireo mpikambana ao amin'ny Moore Wikimedia. Azonao arahana eo amin'ny Twitter @Hasslaebetch sy ny Moore Wikimedia Community @ @Moore_Wikimedia i Alhassan. Miaraka amin'ireo loharano ireo dia manantena hanolotra fisiana ara-nomerika foana ho an'ny fiteny Moore i Alhassan, izay ho azo ampiasain'ny vondrom-piarahamonina Moore manerana izao tontolo izao sy mandritra ny taona maro ho avy. Rising Voices (RV): Azafady lazao anay ny momba anao sy ny asanao mifandraika amin'ny fiteny. Alhassan Alidu (AA): Izaho no Alhassan Alidu (AA), Hasslaebetch no fiantso ahy, ary @Hasslaebetch no kaonty Twitter-ko. Moore (Mossi) aho araka ny foko niaviana ary miteny Moore, Dagbani ary Anglisy. Burkina Faso no tanindrazan-dray aman-dreniko saingy nifindra tany Ghana ry zareo ka tany Ghana izany aho no teraka, noho izany teratany Ganeana aho. Manonta amin'ny fiteny Dagbani sy Moore aho. Na dia tsy nianatra ny fiteny Moore aza aho tamin'ny fianarako teny amin'ny Anjerimanontolo dia manampy ahy izy amin'ny fametrahana ny fiteniko ho hita anaty habaka nomerika. Miaraka miasa amin'ireo manampahaizana momba ny fiteny aho mba hananan'ny tenindreniko toerana iray, amin'ny fotoana mahamety azy, ao anaty tontolo nomerika. Manome zotom-po ho ahy hiroso hanatratra izay tanjona mety ho tratra miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Moore sy ny vahoaka Moore amin'ny ankapobeny ny traikefako tamin'ny fanontàna amin'ny fiteny Dagbani. RV: Manao ahoana ny fiteninao amin'izao fotoana izao, anaty sy ivelan'ny tambajotra? RV: Inona avy no antony mandrisika anao hanao izay hahitàna ny fiteninao aty anatin'ny habaka nomerika ? AA: Ny fahazotoako mametraka am-boninahitra ilay fiteny ho lohalaharana no antony manosika ahy mba hahazoan'ireo any lavitra ny mpiteny vazimba teratany sy izay mbola maniry hianatra na hanohy hifandray amin'ny tenindreniny. Tsy tokony ho arian'ireo taranaka ho avy ny kalitaon'ilay fiteny noho ny fanaovantsika tsinontsinona ny fitehirizana araka ny tokony ho izy ilay fiteny. Ny habaka nomerika dia manome tontolo iray tena tsara ho an'ny olona iray afaka mitahiry ny fiteniny, ny kolontsainy sy ny maripanondroana ny fireneny. Manamaivana sy mampazoto ahy ireo singa ireo mba hahitàna ny teniko aty anatin'ny habaka nomerika. Fa ankoatra izay, azo antoka fa hiasa tsy hitsahatra ireo taranaka ho avy mba hanatsara ny votoatiny avoaka eo amin'ny Wikipédia sy ireo tetikasa rahavavy rehetra. RV: Farito ny sasantsasany amin'ireo fanamby izay manakana ny fiteninao tsy ho azo ampiasaina feno an-tserasera. AA: Ny tsy fisiana fahatakarana ny fitenin'ny olona iray dia mety hahakivy azy hanandrana hampiasa ilay fiteny. Ny ankamaroan'ny olona dia tsy mahita izay antony tokony hianarany ny fiteniny satria tsy ampiasaina any anaty fifandraisana ofisialy amin'ireo sampan-draharaham-panjakana ilay fiteny. Fanampin'izay, somary sarotra ny fifangaroana frantsay/anglisy. Miteny anglisy na frantsay ihany koa ireo mpiteny sasantsasany ny fiteny Moore. Koa satria fiteny iraisam-pirenena ireo fiteny ireo, dia omena laharam-pahamehana kokoa izy ireo noho ny fiteny Moore. Ireo firenena afrikàna voazanaky ny tontolo tandrefana dia nandray ireo fiteny vahiny ho fitaovam-pifandraisana ofisialy amin'ny governemanta sy ireo andrim-panjakana rehetra. Tsy mampiasa fiteny eo an-toerana ireo media sy orinasa tsy miankina. Mitarika fihenana amin'ny fahalianan'ny ray amandreny hampiasa ilay fiteny eo an-toerana miaraka amin'ireo zanany izany ary, vokatr'izay, miha-manary tsikelikely ny fiteniny ireo taranaka ho avy. RV: Araka ny hevitrao, inona avy ireo dingana azo tsapain-tanana mety ho azo raisina hanentanana ireo tanora hanomboka hianatra ny fiteniny na hanohy hampiasa ny fiteniny ? AA: Ao anatin'ity tontolo misy fanatontoloana ity, ny fahafahana miresaka amin'ny fitenin-drazanao dia zavatra iray tokony omentsika lanjany. Ny firesahana matetika amin'ilay fiteny sy ny fianarana ny fiteny dia mety hahatonga ny olona iray hahafehy ilay fiteny sy hananana fahazotoana hampiasa azy. Tsy mamparisika ny mpiteny hiresaka mihitsy ny tsy fahaizana miteny tsara. Mazàna dia miresaka foana amin'izay fiteny hainy tsy miambakavaka ny olona, fa tsy izay mety ho sarotra tenenina. Tokony hahita fialamboly ao anatin'ny fiteny izay ampiasainy ny olona. Ireo trano filazambaovao, toy ny fahitalavitra, ny onjampeo dia tokony hanana fandaharam-potoana izay hampiala voly ny olona amin'ny fiteniny. Ny sarimihetsika, ny mozika, ny tononkalo ary ny vaovao dia afaka asiana ampahany amin'ny fiteny eo an-toerana dia hazoto hianatra ilay fiteny ny olona. Azo atao ihany koa ny mikarakara fampianarana fiteny ho an'ireo olona liana amin'izany, na azo ampidirina any anatin'ny fandaharam-pianarana izany mba hanamorana ny fianarana ilay teny. Ambonin'izany, mety ho azo atao ny mamolavola fitaovana an-tserasera mba hanampiana ny olona hampiasa fehezanteny fohy, hianatra voambolana vaovao, eny fa na dia hanandrana ny fanononana sy fitenenana mifandraika amin'izany aza.
https://mg.globalvoices.org/2022/09/08/159648/
Nahoana ny “kiswahili” no tsy lasa teny fampiraisana an'i Afrika?
2022-09-08T08:44:14
Unknown
Voambolana kiswahili. Sary : ultraBobban Attribution-Non Commercial 2.0 Generic (CC BY-NC 2.0) Manana lanja manokana ho an'i Afrika ny andro 7 Jolay 2022, nankalazàna voalohany ny andro erantany natokana ho an'ny fiteny Kiswahili (na S wahili ). Nankalaza io andro io teny an'arabe  ireo olompirenena manerana an'i Kenya,  Tanzania, Zanzibar, Afrika Atsimo sy erantany , ary ny tety anaty aterineto, tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #KiswahiliDay2022 ary #KiswahiliDay . Io no andro voalohany ôfisialy nanomezana voninahitra io fiteny io hatramin'ny nanambaràn'ny UNESCO ny 7 Jolay ho andro erantany ho an'ny fiteny kiswahili, tamin'ny Novambra 2021 . Diabe fankalazàna Ny Vaomieran'i Afrika Atsinanana ho an'ny Fiteny Kiswahili (KAKAMA), fikambanana iray iraisan'ireo governemanta, ary miandraikitra ny fampiroboroboana sy fandrindràna ny fampivelarana ny Kiswahili, dia nanararaotra ilay fotoana voalohany hikarakaràny ny fanamarihana io andro io nanerana an'i Afrika Atsinanana. Tao amin'ny foiben-toeran'ny KAKAMA no nataon'ireo mpikarakara ny hetsika iray nahasarika mpikambana marobe avy amin'ireo firenena mpiara-miombona antoka ao anatin'ny vondrompiarahamonin'i Afrika Atsinanana. Nanao diabe teny an-dalamben'i Nairobi renivohitra, ireo olompirenena tao Kenya, notarihan'i Najib Balala, sekreteran'ny Kabinetra misahana ny Fizahantany sy ny Fiainam-bibidia ao amin'ny firenena, ary ny lehiben'ny kaomity mpitantana ny andro erantany ho an'ny fiteny Kiswahili 2022 . Tany Ogandà, ny kabinetran'ny ministera dia nankato fangatahana iray nikendrena ny hankatoavana ny Kiswahili ho toy ny fiteny ôfisialy, fanapahankevitra tohin'ny fankatoavana ny fehinkevitra iray nolaniana tamin'ny Febroary tamin'ny taona lasa nandritra ny fihaonana an-tampony faha-21 nataon'ireo filoham-panjakana ary amin'ny Vondrompiarahamonin'i Afrika Atsinanana ( EAC ) ,  ka nandritra izany no nanapahana hevitra fa manomboka izao ny fiteny anglisy, frantsay ary ny Kiswahili dia horaisina ho toy ny fiteny ôfisialy ao anatin'ilay vondrona. Ny kabinetra ogandey ihany koa dia nanosoka hevitra ny hanaovana ny Kiswahili ho tsy maintsy ampianarina any amin'ny sekoly ambaratonga fototra sy faharoa. Ny EAC dia fikambanana iray iraisan'ireo governemanta any amin'ny faritra, ahitàna firenena fito mikambana ao anatiny: Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, Repoblikan'i Borondi, Kenya, Roandà, Sodàna Atsimo, Ogandà ary ny Repoblika Mitambatr'i Tanzania. Ny foibeny dia ao Arusha, any  Tanzania. Fiteny ôfisialy ny Kiswahili any amin'ireo firenena enina mpiara-miombona antoka amin'i Ogandà. Any Tanzania, nanambara ny governemanta fa heveriny ny hanorina Anjerimanontolo iray ho an'ny Kiswahili ary nanokana 40 hektara ao amin'ny faritra amorontsiraka ao Bagamoyo izy ho fanatanterahana io tetikasa io. Ao amin'ny Aterineto, ny lahatsary iray ahitàna ilay mpitarika ny mpanohitra ao Afrika Atsimo, Julius Sello Malema, no manipika ny maha-zavadehibe ny fampianarana sy ny fianarana ny fiteny Swahili ho teny iraisam-pirenena, ary mandrisika ireo Afrikàna handray azy io ho toy ny teny iombonana ( lingua franca) ho an'i Afrika, niteraka fanehoankevitra mifamahofaho avy amin'ireo mpiserasera manerana an'i Afrika no sady namelona indray ny adihevitra mitohy eny anivon'ireo mpahay momba ny fiteny sy ireo mpiaro ny kolontsaina: afaka ny ho fiteny voalohany ao Afrika ve ny Kiswahili? Ny mpitarika ny Afrikana Tatsimo sy ny EFF, Julius Malema dia miantso ny firenena #Afrikana rehetra mba handray ny #Swahili ho #Fiteniny . #Kiswahili dia olona 200 tapitrisa mahery no miteny. #SwahiliDay #KiswahiliDay #WorldKiswahiliDay #KiswahiliLanguageDay pic.twitter.com/vbWceGFmD8 — Wako Joel (@WakoJoel) 7 Jolay 2022 Ilay Afrikàna Tatsimo sady mpitarika ny EFF, Julius Mamela dia mangataka ireo firenena #afrikàna rehetra handray ny #Swahili ho toy ny #Fiteny nasiônaly. Olona mihoatra ny 200 tapitrisa no miteny ny #Kiswahili #SwahiliDay #KiswahiliDay #WorldKiswahiliDay #KiswahiliLanguageDay pic.twitter.com/vbWceGFmD8 Ny Kiswahili : iray amin'ireo fiteny 10 tena ifampiresahana be manerana izao tontolo izao Heverina ho toy ny iray amin'ireo fiteny folo tena iresahana be indrindra manerana izao tontolo izao, ary manana olona mihoatra ny 200 tapitrisa mampiasa azy, ny Kiswahili no voalohany amin'ny fiteny afrikàna nahazo voninahitra tahaka izany. Nanomboka tamin'ny nanekena azy ho toy ny fiteny voalohany ao Afrika Atsinanana, efa niparitaka any amina firenena mihoatra ny 14 izao ireo mpiteny azy, toa an'i Zambia, ny Repoblikan'i Kôngô, Malawi, Sodàna Atsimo, Môzambika, Yemen, Oman, Sômalia ary Kômôro . Toeram-pianarana mihoatra ny 100, raha ao Etazonia fotsiny, no efa mampianatra ny fiteny Kiswahili, ary hita ihany koa izy any Angletera, Alemaina, Kanadà, Pôlônina, Meksika, Rosia, Japàna, Shina, India ary Aostralia, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo firenena ireo. Tamin'ny 2020, i Afrika Atsimo no lasa firenena voalohany ao amin'ny faritra atsimon'i Afrika, nanome fahafahana ireo mpianany ho afaka mandray ny Kiswahili ho toy ny taranja isafidianana any an-tsekoly. Ny Febroary 2022, nanambara ny Anjerimanontolon'i Addis Abeba ao Etiopia fa hanomboka hampianatra ny fiteny Kiswahili. Na ho lasa fiteny afrikàna voalohany ekena amin'ny fomba ôfisialy aza ny Kiswahili, mbola mihalohalo eny foana ny aloky ny lasany nisamboaravoara. Fitenin'ny herisetra tao Ogandà Ny fanapahankevitry ny kabinetra ogandey handray ny Kiswahili ho toy ny fiteny ôfisialy ary ny tolokeviny hanaovana azy ho tsy maintsy hianarana any amin'ny sekoly ambaratonga fototra sy faharoa dia niteraka fanehoankevitra manohitra avy tamin'ireo Ogandey, izay manana tantara manahirana mifamatotra amin'io fiteny io . Amin'ny lafiny sasany, endriky ny lasa nisamboaravoara tao amin'ny firenena izy io, ary hatramin'ny famoretana mbola iainan'ny vahoaka hatramin'izao. Nandritra ny fitondran'i Idi Amin , ny 1971 hatramin'ny 1979, izy io no lasa fiteny ôfisialin'ny tafika mitam-piadiana. Ny niafaràny dia lasa noheverina ho toy ny fitenin'ny herisetra ny Kiswahili, izay  nifamatotra rahateo tamin'ny fomba ôfisialy tamin'ny tafika ary nifampiresahan'ireo miaramila. Nikororosy hatrany hatrany izy taorian'ny nionganan'ilay mpanao jadona Amin, ary tamin'ny faramparan'ny taona 1990, fotoana nifohazan'ny Vaomieran'ny Afrika Atsinanana sy ny politika vaovao momba ny fiteny nataon'ny Hetsi-panoherana nasiônaly, vao niverina niha-nanana lanja (amin'ny ampahany) teny anivon'ny fiarahamonina ogandey indray ilay fiteny. Nihamafy ny adihevitra momba ny  toerany ao anatin'ny fiarahamonina ogandey sy ny fampiasàna azy hatramin'ny nanambaràna ny kiswahili ho toy ny fiteny ôfisialy ao anatin'ny fianakaviambe afrikàna tatsinanana. Kanefa, eo amin'ny lafiny filàna ara-toekaren'i Ogandà manoloana ny fiteny Swahili, mifangaro amin'ny fitomboan'ny fifaneraseràna ara-kolontsaina amin'ireo afrikàna tatsinànana amin'ny alàlan'ny mozika, ny fifindramonina, ary ny ara-pôlitika , dia toa tombony kokoa ny tsy hanoherana intsony an'io fiteny io. Mbola aloha loatra anefa raha izao sahady no hiteny hoe hanampy an-dry zareo, na tsia,  hihavana amin'ny lasany feno korontana ny tosika nasiônaly handraisana ny Kiswahili sy ny fanaovana azy ho taranja tsy maintsy ianarana any an-tsekoly. Ambana ho an'ireo fiteny afrikàna hafa Ny fandraisana faobe ny Kiswahili manerana an'i Afrika dia heverin'ny sasany amin'ireo mpahay momba ny fiteny sy mpiaro ny fiteny afrikàna ho toy ny ambana ho an'ireo fiteny hafa ao amin'ny firenena. Tanzania, ohatra, dia mampihatra politikan'ny teny misy fanavakavahana, izay mametraka ny fampiasàna ny Kswahili ho any amin'ireo faritra ambanivohitra, izay toerana zara raha ahafantarana na tena tsy misy mahafantatra an'io fiteny io mihitsy. Io fanaovana ho laharam-pahamehana io, atao miaraka amin'ny tsy fanomezana lanja ny fiteny eo an-toerana, dia manakana ireo mpianatra tsy hahatakatra tsara ny leson'izy ireo ary, vokatr'izay, mitondra fiantraikany ratsy amin'ireo vondrompiarahamonina izay tsy ny Kiswahili no fiteny voalohany ho azy. Misy ny ambana tahaka izany satria ireo ezaka vita mba hampiroboroboana ny Kiswahili dia tsy miara-dàlana amin'ny ezaka ho fampiroboroboana ireo fiteny hafa. Fivoaran'ny teknôlôjian'ny fiteny amin'ny K iswahili Pikantsary avy amin'ny tolotra Gmail amin'ny fiteny swahili. « Gmail swahili » an'i nukta77 , ampiasàna ny lisansa CC BY-SA 2.0 . Amin'ireo fiteny rehetra ifampiresahana ao Afrika atsimon'i Sahara, ny Kiswahili no tena mibahan-toerana be indrindra ny fahitàna azy ao anaty tambajotra. Na somary mandeha miadana aza ireo ezaka atao mba hampivoarana ireo teknôlôjian'ny fiteny ampiasàna azy io, efa miha-mivoatra ny toedraharaha izao. Tamin'ity volana ity, ny Meta dia namoaka voka-pikarohana iray manome antsipirihany ny fomba heveriny hijerena ireo fiteny 55 atao anjorom-bala ao Afrika, mba hanatsaràna ny fahamarinan'ireo “algorithmes” ampiasain'ny “intelligences artificielles (AI)” izay mandika azy ireny eny anatin'ireo sehatry ny tambajotra sôsialin-dry zareo. Ny Abantu AI , orinasa keniàna, dia namokatra teknôlojia iray  “Deep learning” na fianarana ifotony ho an'ny fikirakiràna infôrmatika ireo fiteny natoraly (NLP / TALN), izay mandika avy amin'ireo fiteny ifampiresahana erantany mankany amin'ireo fiteny teratany afrikàna. Ankehitriny, ilay lasitra “Deep learning” dia mandika avy amin'ny ankamaroan'ireo fiteny erantany mankany amin'ny Kiswahili sy  “Kikuyu”, fiteny keniàna iray hafa. Ilay “startup” AI, izay miasa amin'izao fotoana izao manao ny fandikàna mankany amin'ireo fiteny indizeny afrikàna hafa, dia hanomboka hanome ny tolotra avy aminy ho an'ireo firenena hafa ao Afrika alohan'ny faran'ny taona. Fanampin'izay, i Nanjala Nyabola, Keniàna mpikaroka, mpandalina pôlitika ary talen'ny Global Voices Advox, dia nanao izay hahafahan'ireo olona mpiteny Kiswahili hamoaka ny feony sy hiaro ny zo nomerikan-dry zareo. Iarahana miasa amin'ny tarika iray misy ireo manampahaizana manokana amin'ny fiteny Kiswahili, voadikan-dry zareo ho amin'ireo fiteny afrikàna be mpampiasa indrindra ireo fomba fiteny fototra mahakasika ny zo nomerika sy ny teknôlôjia, ary dia nahaforona, araka izany, rakibolana iray nisy fampidirana 52 izay azo trohana maimaimpoana . Nahoana ny Kiswahili no tsy fiteny voalohany ho an'i Afrika? Na teo aza ny firotsahan'ireo firenena avy any ivelany notanisaina etsy ambony ho an'ny fiteny Kiswahili, mbola misy ny sakana manohintohina ny fahombiazany. Ohatra, ny tsy fitoviankevitra noho ny resaka jeôpôlitika, toy ny fiaraha-mironan'ireo firenena ao Afrika Avaratra amin'ireo firenena any Afovoany- Atsinanana fa tsy miaraka amin'ireo ambiny ao amin'ny tanibe, dia mety hanimba ny fametrahana ny Kiswahili ho toy ny fiteny mampiray. Ny dindon'ny avy any ivelany ihany koa dia mety hanohintohina ny “fanekena” ny Kiswahili. Amin'izao fotoana izao i Afrika dia miankina betsaka amin'ny tohana ara-bola avy any Shina. Ho takalon'ny fanampiany, dia atsofok'itsy farany ny fiteny “mandarin” ho any amin'ny ankamaroan'ireo firenena afrikàna, isan'izany i Kenya . Any amin'ny faritra sasany, io fomba firoso io dia mety hitarika ny Afrikàna hiteny tsy miambakavaka ny “mandarin” miohatra amin'ny fitenindrenin-dry zareo. Tamin'ny 2018, Julius Sello Malema , mpitarika ny fanoherana ao Afrika Atsimo, dia nanosika ny Afrikàna hanaiky ny hahatonga ny Kiswahili ho lingua franca (teny iraisana) ao amin'ny tanibe, ary nanambara fa “diso fametraka laharam-pahamehana” ireo governemanta afrikàna nanaiky ny “mandarin”, nefa nanao tsinontsinona ireo fiteny afrikàna.
https://mg.globalvoices.org/2022/09/20/159855/
Tanàna atao fahirano: Ahoana ny fomba fanampenam-bava ny gazety any Zimbaboe
2022-09-20T06:14:14
Unknown
Sary an'i Ameya Nagarajan Ahariharin’ ny fikarohan'ny Global Voices Advox ny fihenjanana mitombo eo amin'ny fitantaran'ny governemanta mikasika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fanakatonana ny habaka ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Zimbaboe. Tsy azo ihodivirana, miha-betsaka ireo mpanao gazety tsy miankina tafiditra anatin'ny tolona ho amin'ny fanjakazakana amin'ny resaka nasionaly. Ao anatin'ny filaharana mikasika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eran-tany, nidina isa 7 ho any amin'ny faha-137 ny toerana misy an'i Zimbaboe tamin'ny taona 2022 raha oharina amin'ny taona 2021. Na manaraka ny tsipika, na mandao ny sambo Asongadin'ny lalàm-panorenana ao Zimbaboe eo amin'ny andalana faha-61 ny mikasika ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny haino aman-jery, raha toa kosa ny andalana faha- 44 mametraka adidy amin'ny Fanjakana sy isaky ny sampan-draharaha rehetra ao amin'ny governemanta mba hanaja, hiaro, hampiroborobo ary hanatanteraka an'ireo zo sy fahalalahana voalaza ao anatin'ilay sata. Na izany aza, ny vaovao vao haingana , indrindra ny mikasika ny fomba itondràna ny gazety sy ireo feo hafa dia mampiseho fa marefo ny fankatoavana ny lalàm-panorenana. Lasa miha-poizina hatrany hatrany ho an'ireo mpanao gazety ny tontolo politika ao amin'ilay firenena satria samy niasa ho mpanimba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny Fanjakana sy ny antoko mpanohitra. Ho famokarana fitantarana eken'ny Fanjakana na ny antoko mpanohitra, voafandrika ao anaty ady stratejika ireo mpanao gazety. Ny fisian'ny tontolon'ny haino aman-jery sosialy mavitrika dia tsy manamora ny toe-draharaha, ary mamela ny asa fanaovan-gazety ho anaty toerana mampidi-doza. Taorian'ny nahalany azy tamin'ny taona 2018, nampanantena ny Filoha Emmerson Mnangagwa fa hiala amin'ny politika tsy refesi-mandidy nataon'itpkl Robert Mugabe, anisan'izany ny fanavaozana midadasika ireo andrim-panjakana sy ny haino aman-jery. Noheverina ho hita tao anatin'ity dingana ity ny fanajàna hentitra ny lalàm-panorenana, ary koa ireo fanovàna ny rafi-panjakana sy ny mpanao lalàna ho ampahany amin'ilay mantra vaovao hoe “Misokatra ho an'ny fandraharahana i Zimbaboe”. Na izany aza, norahonana ireo mpanao gazety avy amin'ny haino aman-jerim-panjakana taorian'ny nanatrehany famoriam-bahoaka nokarakarain'ny antoko mpanohitra, ary tamin'io fotoana io ihany, nisy trangan-javatra vitsivitsy voatatitra, izay nandritra izany, ny Mpitarika ny fiarahamientan'ny olom-pirenena ho an'ny fanovàna avy amin'ny antoko mpanohitra no nikasi-tànana mpanao gazety nandritra ny sasany tamin'ireny famoriam-bahoaka ireny. Tao anaty tafatafa tamin'ny imailaka niaraka tamin'ny Global Voices, notsipihan'ny Profesora Stephan Chan, mpampianatra pôlitika iraisampirenena ao amin'ny sekoly ambony fianarana momba ny faritra atsinanana sy Afrika, fa misy disadisa goavana mialoha ny fifidianana amin'ny 2023 ary fantatry ny governemanta fa tsy mandeha ny politikany ara-toekarena. “Tena mailo ny mpanohitra amin'ny hevitra filalaovana mialoha loatra ny lalaony ary samy miahiahy ny roa tonta, indrindra fa ny asa fanaovan-gazety fanadihadiana,” hoy ny nambarany. Miaraka amin'ny taha fidirana amin'ny aterineto somary ambony, izay ny 30,6% amin'ny mponina no nanana fidirana tamin'ny aterineto tamin'ny Janoary 2022, dia mailo hatrany ny governemanta amin'ny zava-misy hoe maro kokoa ireo olona afaka mahazo vaovao sy torohay avy amin'ny vovonana nomerika. Nohamafisin'i Chan fa fantatry ny governemanta fa tsy afaka mampihena io fidirana io amin'ny fotoana rehetra izy, izay no antony hihazakazahany amin'ny fanarahamaso ireo mpanao gazety. “Koa, mifantoka betsaka amin'ireo mpanao gazety mahasarika olona ny fanarahamaso ataony”. Amin'io lafiny io, na dia misy aza ny fanarahamaso ankapobeny, tena voafaritra manokana ny ho kendrena”, hoy izy. Fanoritana fironana manjavozavo : Ny Civic Media Observatory Fomba fikarohana amin'ny fanadihadiana ny Civic Media Observatory (CMO) ampiasaina hamantarana sy hanaraha-maso ireo zoro sy lohahevitra fitantarana manan-danja izay mivoatra arakaraky ny tranga sy ny fironana, amin'ny fiheverana ny zavatra manodidina ny tranga sy ny foto-dresaky ny media. Ireo porofo voaangona ao amin'ny angondrakitry ny CMO Zimbaboe dia milaza fa ireo mpisehatra mifandray amin'ny Fanjakana no tena tompon'antoka voalohany amin'ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, manomboka amin'ny fisamborana tsy ara-drariny, ny famonjana noho ny fiampangana tsy misy dikany, indraindray, herisetra ara-batana. Tamin'ny 17 Aogositra 2021, Elizabeth Mashiri, mpanao gazety monina ao Gweru no nahita raharaha tamin'ny polisy taorian'ny nakàny sary ny fifandonana nisy teo amin'ny mpivarotra amoron-dalana sy ny mpampihatra lalàna tao an-tanànan'i Midlands. Mitovy tamin'izay koa, tamin'ny 7 jolay 2022, nodarohan'ny polisy noho ny fakàny sary ireo fifandonana nisy teo amin'ny polisy sy ireo mpivarotra teny an-dalamben'i Harare ilay mpanao gazety Anyway Yotamu , nosamborina ary nogadraina. Farany, tamin'ny 4 jona 2022, mpanao gazety tsy miankina, Simbarashe Sithole, no narahonan ‘ny mpikatroka ara-politika iray hodarohana taorian'ny namoahany lahatsoratra roa mikasika ny fisiana kolikoly ao amin'ny fari-piadidian'ny Minisitry ny Atitany, Kazembe Kazembe. Ny 24 Jona 2020, mpanao gazety roa, Leopold Munhende sy Munashe Chokodza, no nosakanana sy nampiharan'ireo miaramila enindahy herisetra feno habibiana noho ny filazàna azy ireo ho nandika  ny lalàna mifehy ny fivezivezena mandritra ny COVID-19. Ireny fanafihana ireny, anisan'ireo andiana trangan-javatra hafa, dia mampiseho fa tsipika iray mampidi-doza no izoran'ny gazety eo anelanelan'ny fiarovam-pirenena sy ny adidy maha-matihanina hanaovana tatitra marina mikasika ireo olana mitranga ao Zimbaboe. Io dia ampilaharina amin'ny fitantarana ny fandriampahalemana sy ny firoboroboana izay tian'ny governemanta haparitak'ireo mpanao gazety miasa ao amin'ny firenena, tahaka ny antso teo aloha nataon-dRamatoa Monica Mutsvangwa, Minisitry ny Serasera, tamin'ireo mpanao gazety mba hampiroborobo ny endriky ny firenena . Veloma farany ho an'ny haino aman-jery ? Tao anaty tafatafa iray, nilaza tamin'ny Global Voices ny Vivid Gwede fa manondro fironana ankapobeny amin'ny fanakatonana ny habaka demokratika ny firongatry ny fanafihana gazety nanomboka tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2018. “Nisy ny fanafihana ny fahalalahana miteny sy fivoriana, hita tamin'izany ny fandraràna fihetsiketsehana mba hampanginana ireo feo manohitra, indrindra fa ireo fanamby ara-toekarena, sahala amin'ny fidangan'ny vidim-piainana tafahoatra, rehefa antomotra ny fifidianana 2023. Lasibatra izy satria ny asa fanaovan-gazety no fanalahidin'ny fitazonana ny governemanta ho tompon'andraikitra,” hoy izy. Marihan'i Gwede fa hatramin'ny nankatoavana amin'ny ankapobeny ny habaka an-tserasera ho manana ny fahafahana manohintohina ny fitoniana sy ny filaminana manerana izao tontolo izao, dia nampiasain'i Zimbaboe ny fitantarana mikasika ny filaminana sy fitoniana mba hamerana ny zo omen'ny lalàmpanorenana, toy ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny haino aman-jery. Nolazainy fa hisy fiantraikany amin'ny kalitaon'ny fifidianana ao amin'ny firenena ny famerana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ary misy fiantraikany ratsy eo amin'ny fitantanana tsara ny filaharana ambany misy ny fahalalahan'ny haino aman-jery. “Ny antony dia satria ny gazety tokony ho afaka manao tatitra malalaka sy mampahafantatra ny fiarahamonina mikasika ireo olana fototra tahaka ny zon'olombelona sy ny kolikoly izay misy fifandraisany amin'ny fitantanana tsara, ny fandraisana andraikitra ary ny demokrasia,” hoy i Gwede nanamafy. Fanontaniana fototra iray amin'ny fikarohana ny hoe fampiasana sehatra nomerika amin'ny fampitàna faobe ny vaovao sy fifandraisana ho an'ny daholobe fotsiny ve no miteraka loza mitatao ho an'ny fisian'ny fitantarana nentim-paharazana fanaon'ny fanjakana, sa misy antony hafa tokony hosaintsainin'ireo mpikaroka. Manamafy i Gwede fa voahelingelin'ny teknolojia nomerika ny ampihimamba nentim-paharazana ataon'ny fanjakana amin'ny vaovao, ary midika koa izany fa lasa miha-toherina sy iadiana hevitra be ireo fitantaran'ny fanjakana ny fiarahamonina eny amin'ny habaka nomerika. “Raha ny marina, manana traikefa kokoa ankehitriny ny olom-pirenena sy ny haino aman-jery amin'ny famolavolana fitantarana vaovao sy fanoherana ny fitantarana mikasika ny fiarahamonina, na mijery indray ireo fomba fijery voahilikilika anatin'ny fifaninanana miaraka amin'ny fitaovam-panjakana na ivelan'ny fitaovam-panjakana,” hoy izy. Amin'izao fotoana izao, tsy maintsy miaritra toerana sarotra sy mampidi-doza ireo mpanao gazety amin'ny fampahalalana ny vaovao ao amin'ny firenena.
https://mg.globalvoices.org/2022/09/06/158990/
Ny Fitsidihana ny Mozean'ny Zavakanto Yemisi Shyllon any Nizeria
2022-09-06T04:15:17
Unknown
Ireo reny mpanorina ny zavakanto nizeriana ankehitriny. Ankavia miankavanana ambony: Susanne Wenger, Princess Elizabeth Olowu, Eunice Okeji, Asabi Bakare; ambany: Clara Etso Ugbodaga-Ngu, Chief Constance Afiong ‘Afi’ Ekong, Ladi Kwali. Sary avy amin'i YSMA, nahazoana alalana. Indray maraina feno fanantenana, nitsidika ny Mozean'ny Zavakanto Yemisi Shyllon (YSMA) ao Lagos, Oniversite Pan-Atlantika any Nizeria ny mpianatra sasany amin'ny Fifandraisana amin'ny daholobe vao afaka baccalauréat, hanokatra ny tsiambaratelon'ny zavakanto ao sy ny fihetsiky ny olona manoloana izany. Ny antony itsidihanay ny YSMA — tranombakoky ny anjerimanontolo voalohany ao Nizeria — dia ny hijery voalohany indrindra ireo angon-java-kanto afrikanina mahatalanjona ao, ho anisan'ny taranja andraisana naoty. Na izany aza, voasarika tanteraka izahay handinika ireo angon-java-kanto ankehitriny mahavariana noforonin'ny vehivavy artista Nizeriana. Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mandre ny teny hoe “mozea”? Tamin'ny taona 2014, namoaka lahatsoratra iray ny HuffPost namariparitra ny fomba tokony hataon'ny olona sy tsapany amin'ny fitsidihana tranombakoka mahazatra. Raha fintinina ny lahatsoratra dia nilaza fa maranin-tsaina amin'ny fomba mahery fo, feno fahalalana voajanahary, tony hafahafa, ary liana amin'ny sangan'asa sasany izay mitondra azy ireo ho any amin'ny taonjato lasa ny mpitsidika, raha feno fahamailoana sady tony kosa ny tompon'andraikitra, mahafantatra tsara izay tokony holazaina amin'ny mpitsidika. Karazan'olona maro no nihaona taminay tao amin'ny YSMA ahitana mpankafy zava-kanto, ireo hafa toa anay izay nanao fanazarana akademika, ireo mpianatra avy amin'ny lisea sasany any Lagos manao  fitsidihana ara-pampianarana, ary ny sasany izay tonga hijerijery fotsiny. Ny Mozean-javakanto Yemisi Shyllon, Oniversite Pan-Atlantika, Lagos, Nigeria. Sary avy amin'ny YSMA, nahazoana alalana Naorina tamin'ny taona 2019 ny Mozean-Javakanto Yemisi Shyllon ary nomena ny anaran'ny Printsy Yemisi Shyllon , mpanangona zavakanto Nizeriana. Namatsy vola ny fanorenana ilay trano i Shyllon ary nanolotra asakanto maherin'ny 1.000 avy amin'ny angona nataony. Zava-misy atolotry ny YSMA ny “mizàtra fianarana manova (fiainana)” ho an'ny mpianatra sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny, hoy ny talen'ny tranombakoka, Jess Castellote, ao amin'ny tranokalan'ny YSMA. Tanteraka izany amin'ny fampirotsahana “mpanatrika isan-karazany” mba hianoka bebe kokoa ny haren'ny “fahalalana momba ny zavakanto Nizeriana” amin'ny alalan'ny fampirantiana zavakanto, fandaharam-pampianarana ary fitsidihana tranombakoka. Nahazo ny lokan'ny fisokafana avy amin'ny Apollo Magazine ny ISMA tamin'ny taona 2020. The recipient of the Apollo Award for Museum Opening of the Year 2020 is the Yemisi Shyllon Museum of Art. Watch a clip of Prince Shyllon and the museum’s director @jesscastellote accepting the prize https://t.co/LPjBMgS5Jv pic.twitter.com/0nQHWyOjza — Apollo Magazine (@Apollo_magazine) December 1, 2020 Ny nahazo ny lokan'ny fanokafana tranombakoka Apollo taona 2020 ny Museum of Art Yemisi Shyllon. Jereo ny sarin'ny Printsy Shyllon sy ny talen'ny tranombakoka @jesscastellote nandray ny loka Ny Ranty “Tanana tsy hay resena” (Invincible Hands) ‘The Comforter’ (Ilay Mpanony-mpampionona) avy amin'i Olawunmi Banjo. Pikantsarin'ny katalôgy Invisible Hands . Natao hanasongadinana ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny zavakanto ao Nizeria ireo piesy tamin'ny fampirantiana Invincible Hands. Manankarena na ara-kolotsaina na araka ny angesony io angona io, manamafy indray ny hatsarana sy ny maha zava-dehibe ny zavakanto ao Nizeria. “Zava-misy ara-tantara” ny famafana ny artista vehivavy Nizeriana, hoy i Ebubechi Nwokoma sy Chinyere Nzenwata, Nizeriana mpitsikera sy mpiasan'ny YSMA, nanoratra tao amin'ny katalôgy Invisible Hands. Vokany, “tsy nahazo na nahazo fankatoavana kely” ny vehivavy, ary tsy nomena azy ireo “ny toerana sahaza azy eo amin'ny sehatra”. Noho izany, kinendrin'ity fampirantiana ity “ny hampisy ako ny fisian'ny vehivavy sy ny fomba fijeriny amin'ny rafi-javakanto manomboka tamin'ny fotoana nipoirany sy manasongadina ny fisongany haingana tamin'ny alàlan'ny fandraisan'ny vehivavy artista ankehitriny,” hoy ny nosoratan ‘i Nwokoma sy Nzenwata. Mangina tao rehefa nandeha tao amin'ny asa voalohany tamin'ny angona izahay. ‘Light up the Lamp’ nataon'i Ngozi-Omeje Ezema. pikantsary tao amin'ny katalôgy Invisible Hands . Vao notopaza-maso voalohany ny “Light up the Lamp” (areheto ny fanilo) nataon'i Ngozi-Omeje Ezema dia toa fitambaran-dravina miendrika akorandriaka tanimanga mihantona amin'ny tadim-pintana manify. Saingy rehefa nihemotra ny mpijery, dia tsikaritra ny fanilo solitany lehibe iray fampiasa manerana ny firenena talohan’ny nielezan’ny herinaratra, soritan'ireo vakivakin-tanimanga rehetra. Mikaroka sy Mampianatra famolavolan-tanimanga ao amin'ny Oniversiten'i Nizeria, Nsukka, atsimo atsinanan'i Nizeria, i Ezema. Tarafin'ny sangan'asa tanimanga nataony ny “fifangarihan'ny fanantenana sy ny famoizam-po” sady asehony koa “hery soritan'ny fanaintainana sy ny tendry (anjara).” “Cycle of Life” nataon'i Nike Davis. Pikantsary avy amin'ny katalôgy Invisible Hands. Asam-panenomana ara-javakanto mahazo ny gorodona ka hatramin'ny valin-drihana ny “Cycle of Life” (tsingerim-piainana) nataon'i Nike Okundaye-Davies , fantatra amin'ny anarana hoe “Mama Nike”. Piesy narafitra amin'ny akora adire mampiavaka ny vahoaka Yoruba izy io. Misy lamina maromaro voatenona amin'ny akora manga matsora eo ambonin'ny fototra manga antitra. Ahitana akotso (motif) manavaka ny asakanton'ilay artista (toy ny hety) sy ny kolontsainy koa ilay asatanana. Ny renibeny izay nampianatra azy tenona, hosodoko, amboradara (peta-kofehy) ary asa vita amin'ny hodi-biby, no nampiofana ilay mpandravaka lamba amin'ny fomba batik sy adire nizeriana. Izy no tompon'ny Nike Art Gallery ao Lekki, Lagos, izay iray amin'ireo tranofitaratra (galleries) an'olon-tsotra lehibe indrindra eto Afrika. Raha teo am-pandinihana ny “The Comforter” (Ilay Mpampionona na Ilay mpanony) an'i Olawumi Banjo aho no nandre katrokatroka tamin'ny gorodon'ny mozea. Nitodika aho ary nahita an'i Madonna, mpiasan'ny tranombakoka. Manjelanjelatra tarafin-jiro ny randrany miloko maitso sy manga. Nohazavainy fa sary hosodoko tena araka ny zavamisy (hyper-realist) ilay asa. Ny teny hoe “hyperrealism” dia manondro ny zavakanto noforonina ho tahaka ny saripika, fa tsy hosodoko. Ny sary lazaina etoana dia sary hosodoko misy ankizilahy mampionona ny reniny, izay mipetraka sy mitafy akanjo nentin-drazana “Ankara wrapper” sy gele (sarondoha mivona). Nampiasa lafika mainty ilay mpanakanto tamin'ity asa ity, ka manasongadina ireo tiana aseho ho eo aloha. Mpianatra maintimolalin'ny Oniversiten'i Pan-Atlantika i Banjo mpanakanto ara-maso hosodoko zary saripika manampahaizana manokana amin'ny hosodoko toa saripika endritany. Trandrahin'ny zavakanton'i Banjo “zava-misy miafina atrehintsika tsirairay na miaraka manerana ny glôby.” ‘ 9-Year-Old Bride’ nataon'i Peju Alatise. pikantsary avy amin'ny katalôgy Invisible Hands. Rehefa manatona ny “9 taona ampakarina ho vady” nataon'i Peju Alatise aho, dia mandre feo avy any amin'ny fidirana. Toa mihamaro ny mpitsidika ny tranombakoka. Sarivongana mitsikera ny fanambadian'ny ankizy any Nizeria ilay asa. Ny mandrafitra azy io dia endrika maromaro mitafy akora mitovitovy amin'ny “Ankara”, ao anatin'izany ny zazavavy kely iray manatrika anoloana sy ny lehilahy sy vehivavy roa (ny sasany tsy manan-doha) samy tsy misy mitodika any aminy. Mpanakanto maro rantsana sady mpanao mari-trano ao Lagos, Nizeria, i Alatise. Ny zavakantony dia “fanandramana asa tsy misy fiatoana sy mitaky asa mafy” ary manivaka “amin'ireo karazana lasitra fampitan-kafatra, teknika ary fitaovana isan-karazany, anisan'izany fa tsy voafetra amin'ny hosodoko, sarimihetsika, fametrahana, ary sary sokitra.” Fandinihana mangina Zavakanto aranty ao amin'ny Yemisi Shyllon Museum. Sarin'ny YSMA, nahazoana alalana. Tsy nanao afa-tsy naka tahaka ny valin-tenin’ny mpiasan’ny fitetezana ny tranom-bakoka ireo mitety toerana. Ny tsikera mavesatra amin'ireo asa dia vitan'ny fankasitrahana fanaon-jaza manomboka amin'ny “Tena mahafatifaty ity,” ka hatramin'ny “Tsy azoko mihitsy ity,” arahana andiam-pakana saripika maro amin'ny sary hosodoko sy ny endrik'izy ireo mitsiky. Nivadika ho adihevitra mafana amin'izay hevitry ny tsirairay amin'ny hoe iza ny artista tsara indrindra ny fandinihana mangina. Niharan'izany fifandroritan-kevitra izany ny “That's What They Said”[izany no nolazain-dry zareo] (2015) nataon'i Taoye Idahor , raha niverimberina ny mpianatra manamarina hoe marina izy raha mamlefa sehatra fotsy lehibe amin'ny sanganasany. Niseho izany rehetra izany rehefa nihaino tsara ny mpianatra. Minitra vitsy taorian'ny fitetezan-toerana, maro tamin'ireo olona tao, rehefa nahazo fahalalana ampy, no nanapa-kevitra fa ny hetsika tsara indrindra dia tsy ny fisaintsainana ny zavatra hitany, fa manintsana izay rehetra mifandraika amin'ny mozea sy ny mihomehy mafy amin'ny tsinontsinona (iray) manokana.
https://mg.globalvoices.org/2022/08/11/159120/
Ny tantaran'ilay tetikasa fampandrosoana izay nandrava tanànakely tao Angola
2022-08-11T04:59:35
Unknown
Tobim-pitrohan-drano ao Cafu| Sary: Simão Hossi/Global Voices Nosokafana tao amin'ny Lakandranon'i Cafú any Angola tamin'ny volana Aprily 2022 ny Rafitra Famindrana Rano ao amin’ny Renirano Cunene. Ny rafitra no miandraikitra ny fitondrana rano ho an'ny kaominina Okwanyama, Ombandja, OuNamakunde, ary ireo faritra Ndombondola sy Ombala-Yo-Mungo, ao amin'ny faritanin'i Cunene, faritra atsimon'i ny firenena. Notokanan'ny Filohan'ny Repoblika, João Lourenço, ny fanorenana ny Lakandrano izay nandrava toeram-pambolena, trano fonenana, voly, chimpacas (dobo misokatra), alam-boankazo, ary fananam-piarahamonina hafa an’ny mponina an-jatony. Nilaza ny mponina fa tsy nolazaina mialoha izy ireo momba ilay tetikasa, tsy afaka nandray anjara tamin’ny fampandrosoana azy, ary tsy nahazo fanonerana tamin'ny fatiantoka ry zareo. Efa tamin’ny faramparan’ny taona 2019 no nanomboka ny fanamboarana ny lakandrano, raha nilaza ny tompon’andraikitra fa natao hanamaivanana ny vokatry ny hain-tany ao amin'ny faritanin'i Cunene izany. Bombagem do Cafú | Sary: Simão Hossi/Global Voices Samy voakasik’ity fanorenana ity avokoa ireo mponina ao amin'ny tanànakely sy ireo vondrom-piarahamonina ao Onamwenho, Oukango, Oshikololo Sha Nanga, Onanime, Epolo, Omatemba, ary Onangwena. Mirefy 160 kilometatra mahery ny lakandrano ary mamakivaky vondrom-piarahamonina sy vohitra tsy tambo isaina. Tsy fantatra mazava hoe firy ny olona voakasiky ny zava-misy. Lasa iray amin'ireo toerana manintona mpizaha tany lehibe indrindra ho an'ireo izay mitsidika io faritra ao amin'ny firenena io ilay tetikasa. Ahoana hoy ny mponina? Nandritra ny fitsidihana ireo vondrom-piarahamonina teo anelanelan'ny volana Mey sy Jona 2022, niantsafa tamin'olona maromaro ny Global Voices, anisan'izany ireo zokiolona sy mpitarika ny vondrom-piarahamonina ao amin'ireo tanànakely voalaza etsy ambony sy ireo ankoatrany. Fitrohan-drano Cafú| Sary: Simão Hossi/Global Voices Niresaka tamin'ny vehivavy roa tao an-tanànakelin'i Oshamutitima ny Global Voices, 50 kilometatra mahery kely miala ny renivohitra Ondjiva. Nanambara i Reginalda Longehiliwa, 63 taona, fa tsy manohitra ny Tetikasa Lakandrano izy, fa saingy tsy faly izy tamin'ny fomba nanatanterahan'ny orinasa mpanao fanorenana (Sinohydro) ny asa. Nambaran'i Longehiliwa ihany koa fa tsy fantany fa efa nisy ny fanadihadiana natao mialoha momba ny fiantraikan'izany amin’ny tontolo iainana tao an-toerana, mba hanombanana ny mety ho fahasimbana amin'ny fisiana na ny fahavitan'ny asa. Não houve consultas, se houve, aqui na aldeia não chegou, não houve informações para as pessoas daqui na aldeia (comunidade). Nós fomos surpreendidos com a presença dos homens a fazerem as marcações, desmatando o percurso onde passou o canal. Nós só estamos a ver as destruições dos nossos bens, divisão das nossas lavras, divisão das nossas casas com as dos nossos filhos, sem mesmo sabermos onde e a quem reclamar ou ainda pedir informações e contas sobre uma possível compensação, indenização dos bens que perdemos com a existência do canal. Tsy nisy fanontaniana ny hevitra(y), raha nisy dia tsy teto an-tanànakely aloha, tsy nisy fanazavana ho an’ny mponina eto an-tanànakely (vondrom-piarahamonina). Gaga izahay tamin'ny fisian'ireo lehilahy nanisy marika, nanadio ny lalana nandalovan'ny fantsona. Mijery ny fahapotehan’ny fanananay sisa izahay, ny fizarazaran’ny toeram-pambolena, ny fizarazaran’ny tokantranonay amin’ny an’ny zanakay, tsy mahafantatra akory hoe aiza sy iza no hitarainana na mba hangatahana fanazavana sy filazalazana momba ny mety ho fanonerana, fanonerana ho an’ny fananana very amin'ny fisian'ny fantsona. Araka ny filazan'i Longehiliwa dia tamin'ny alalan'ny olona sasany tao an-tanànakely no mba nahalalany izany toe-javatra izany izay nilaza taminy fa efa mandeha ny fanamboarana ny lakandrano. Ninguém aqui na comunidade recebeu uma compensação ou foi indemnizado pelas perdas dos seus bens, lavras, árvores frutíferas, cultivos, chimpacas, casas e outros bens da comunidade. Tsy nisy olona teto amin’ny vondrom-piarahamonina nahazo fanonerana na nahazo onitra noho ny fahaverezam-pananana, ny voly, ny hazo fihinam-boa, ny voka-pambolena, ny chimpacas, ny trano fonenana sy ny fananan’ny vondrom-piarahamonina hafa. Araka ny filazan'ny mponina sasany, fotoana fohy taorian'ny nitokanana ny lakandranon'i Cafú, voalaza noho ny tombotsoa azo avy amin'ny fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina no mahatonga ny tsy fisian'ny fanonerana, araka ny voalazan'ny iray tamin'ireo niantsafa taminay: As respostas que recebemos das autoridades é que a melhor recompensa, indemnização ou mesmo reparação dos danos causados e destruições dos nosso bens eram ou seja se refletiam na entrega do canal que leva a água para os aldeões que vivem perto ou arredores do percurso do Canal do Cafú, a (menina bonita) da província do Cunene. Ny valiny azonay avy amin'ny manampahefana dia ny hoe ny valisoa tsara indrindra, fanonerana na ny fanamboarana ny fahasimbana nateraky ny fahapotehan'ny fanananay, dia hita taratra tamin'ny fanaterana ny fantsona mitondra ny rano ho an'ireo mponina akaiky na manodidina ny lalan'ny Canal do Cafú. , ilay (zazavavy tsara tarehy) avy any amin'ny faritanin'i Cunene. Tobi-pitrohan-drano Cafú| Sary: Simão Hossi/Global Voices Nilaza i Engracia Tulengepo, 48 taona, mponina ao amin'ny vondrom-piarahamonina Oshamutitima ihany koa, fa mahita ny tetikasa lakandrano ho toy ny fahafahana mamaha ny olan'ny tsy fahampian-drano izy. Na izany aza, rava tanteraka ny saha sy ny kijana ho an'ny firaofan’ny biby fiompy nandritra ny fanamboarana lakandrano — ary ny fanarenana ireo toerana ireo no tena olana lehibe ho an'i Tulengepo. Milaza izy fa miatrika olana amin'ny tsy fahampian-tsakafo noho ny tsy fahampian'ny orana mba hanamafisana ny famokarana massango (vary Angoley), izay vokatra fambolena lehibe indrindra ao amin'ny faritra, arahin'ny biby fiompy, any amin'ny toeram-pambolena Oukwanyama, manerana ny Faritanin'i Cunene. Tsy nanana vaovao momba ny fanorenana ihany koa ny mponina talohan'ny nanombohan'ny asa, ary tsy nahafantatra ny antony nanombohan'ny tompon'andraikitra ny tetikasa. Nambarany fa tsy nisy nanontaniana momba ny tetikasan’ny Lakandrano mihitsy ny mponina: Não houve compensação ou indemnização pela destruição dos nossos bens mais preciosos, as nossas lavras, as nossas terras, os nossos cultivos, as nossas chimpacas, zonas de pastos dos nossos animais. Estou ciente de que os benefícios que o canal trará para as nossas vidas, após as conclusões das obras. Tsy nisy fanonerana na onitra noho ny fanimbana ny fanananay sarobidy indrindra, ny toeram-pambolenay, ny taninay, ny volinay, ny chimpacas, ireo faritra firaofan’ny biby fiompinay. Fantatro ny tombontsoa ho entin'ny fantsona eo amin'ny fiainanay, aorian'ny fahavitan'ny asa. Ny lakandrano no asa voalohany amin'ny karazany any Angola ary tondroina ho zava-bita ara-politika lehibe nataon'ny Filoha ankehitriny, izay mirotsaka hofidiana indray amin’ny fifidianana [mg]. Tsy fantatra izay ataon’ny tompon’andraikitry ny fitsarana amin’ny famahana ny raharaha tsy fisian’ny fanonerana, ary tsy mbola hitan’ny mponina izay atao momba izany.
https://mg.globalvoices.org/2022/08/18/159176/
Fitohanan'ny fifamoivoizana mamaivay eny amin'ny araben'i Lagos ao Nizeria
2022-08-18T05:30:48
Unknown
Fitohanan'ny fifamoivoizana ao Ojuelegba, Lagos, Nizeria. Sary an'ny Wikimedia avy amin'ny Omoeko Media , 4 Jolay 2019, ( CC BY-SA 4.0 ) Amin'ny maha-mpivarotra azy, amin'ny 3 ora maraina i Mama Bomboy no mifoha manomana ny zanany handeha hianatra. Fotoana hisakafoanana fotsiny no ananany amin'izany. Avy eo izy tsy maintsy mandeha an-tongotra hatreny amin'ny fiantsonan'ny fiara fitateram-bahoaka izay tsy maintsy hiadiany mba hahazoany toerana. Ny tena ratsy, ny làlana tokony ho vita ao anatin'ny telopolo minitra dia mivadika mora foana ho anatin'ny adiny iray. Mandritra izany fotoana izany, miady amin'ny hamandoana manempotra i Mama Bomboy, ampian'ny fifamoivoizana mampiaiky volana ao Lagos. Mampalahelo, toa an'i Mama Bomboy, mpandeha hafa marobe koa no tsy maintsy miatrika ny vokatry ny fitohanana fifamoivoizana manempotra eny amin'ny araben'i Lagos, ilay renivohitra ara-toekarena ao Nizeria. Tsy hoe fotsiny ny manohintohina ny fiadanana sy ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana ho an'ny ankamaroan'ireo mponina ao Lagos ilay trangan-javatra, fa ny fahafahan'izy ho lasa hery mpamokatra eo amin'ny fiainany manokana sy ny asany ihany koa. Anisan'ireo “adala” marobe mahaliana eny an-dalambe ao Lagos ireo mpamily fiara Danfo mahazatra , fantatra amin'ireo fiarabeny fitateram-bahoaka misy tsipika mavo sy mainty ahitana ireo seza hazo tsy ahazoana aina. Amin'ny ankapobeny, ny fiara fitanteram-bahoaka Danfo, diso miavaka loatra amin'ny fisian'ireo mpandeha mifatratra sahala amin'ny sardina. Ireo mpamily ny fiarabe miaraka amin'ny fombany somary tsaraina an-tendrony ho “toy ny agbero ” sy ireo mpandeha tezitra/miaraka amin'ny vava mitsokotsoko no mameno ny zavatra iainana ara-kolontsaina amin'ny Danfo. Maro tsy hita isa ny ady mipoaka eo amin'ireo mpamily fiara madinika sy ireo mpitondra fiara, na eo amin'ireo mpamily sy ireo mpandeha mandritra ny iray andro monja, matetika vokatry ny tsy fananana faharetana sy fifandirana noho ny ady toerana eny amin'ny arabe tsentsina ao Lagos. Fahalotoan'ny rivotra, harerahan-tsaina ary fifamoivoizana tsy mahasalama Fifamoivoizana ao Gbagada, Lagos, Nizeria. Sary an'ny Wikimedia avy amin'i S. aderogba , 10 Septambra 2017. ( CC BY-SA 4.0 ) Ny fanadihadiana iray nataon'i Awosusi Ajoke, manam-pahaizana manokana amin'ny fampianarana ara-pahasalamana ao amin'ny Anjerimanontolo nizeriàna ao Ado-Ekiti, any atsimo-andrefan'ny firenena, dia nahitàna fa ny fitohanana fifamoivoizana – iray amin'ireo antony lehibe mahatonga ny fahalotoan'ny rivotra – dia mandray anjara lehibe amin'ireo aretim-po sy ny taovam-pisefoana, indrindra indrindra ho an'ireo olona manana olana amin'ny sohika sy amin'ny fiasan'ny havokavoka. Amin'ireo fiara eo ho eo amin'ny 200 isa eo isaky ny kilometatra eny an-dalamben'i Lagos, ireo mpitondra fiara, ireo mpandeha an-tongotra ary ireo mpitondra fiara mpitatitra hafa, dia iharan'ny fiantraikan'ny entona avokan'ny solika fôsily ny fahasalaman'izy ireo. Mitovy amin'izay ihany, mitondra harerahan-tsaina ho an'ireo mponina mro ao Lagos ny fitohanan'ny fiara. Nanambara tao anaty gazety Nizeriana Punch i Dr Jibril Abdulmalik, mpitsabo aretin-tsaina fa “miteraka fahakizintinana sy rarin-tsaina koa ny fitohanana fifamoivoizana ; tena mandrera-tsaina satria tsy maintsy mitandrina be ianao mba tsy hisy olona handona ny fiaranao. Ny fijerena ankavia, ankavanana sy eo afovoany rehefa mamily mandritra ny ora maro isan'andro dia mampitombo ny rarin-tsaina, izay mahatonga ny vatantsika hamoaka hormonin'ny rarin-tsaina.” Manjary olana ara-tsosialy manan-danja ao an-tanàna ny faharomontana eny an'arabe vokatry ny fifamoivoizana. Mitondra mankany amin'ny herisetra amin'ireo mpampiasa lalana izany ary, amin'ny tranga faran'izay mafy, mitarika amin'ny fahafatesana. Ny rarin-tsaina eo amin'ny fiainana andavanandro ho an'ireo mponina ao Lagos dia niteraka sedra mafy ho an'ny fahasalamana ara-tsain'izy ireo satria midona amin'ireo lafim-piainana isankarazany ilay izy, toy ny fiainam-pianakaviana. Ny ora maro lany eny andalana dia misy fiantraikany amin'ny fampianarana ny mpianatra, izay tsy maintsy miala ny tranony alohan'ny mangiran-dratsy ary mody tara aorian'ny filentehan'ny masoandro mba handresena ny fifamoivoizana. Ny mpanao gazetin'ny BBC, Nduka Orjinmo, nanamafy fa ireo ankizy ao Lagos izay tratran'ity fomba fiaina ity, amin'ny ankapobeny, dia mazava ahitàna fitomboan'ny olana ara-pahasalamana eo amin'ny saina, toy ny tebiteby, ny hatezerana, ny fahaketrahana, fahafohizan'ny fifantohantsaina ary tsy fahampian'ny torimaso. Toy izany koa, miaraka amin'ny fianakaviana mihitsoka anaty fifamoivoizana mandritra ny ora maro ao anatin'ny iray andro, kely sisa na tsy misy mihitsy fotoana ho an'ny fiainam-pianakaviana, miteraka fihetsehampo tsy fisiana eo amin'ny fiainana sy ny sain'ireo ankizy. Mijaly amin'izany ihany koa ny fiainam-panambadiana, miha-mifanalavitra sy tsy mifampikarakara ireo mpivady. Matetika ny mpivady iray dia manomboka mamindra ny fahakizintinany amin'ny vadiny na amin'ireo zanany, noho ny rarin-tsaina. “Ny Soritraretin'ny Rarin-tsaina mifandraika amin'ny Fifamovoizana” dia fikorontanana hita vao haingana teo amin'ireo mpitondra fiara. David Moxon, psikôlôgy ao amin'ny Peterborough Regional College, any amin'ny Fanjakana Mitambatra, dia mamaritra ny Soritraretin'ny Rarin-tsaina mifandraika amin'ny Fifamovoizana ho sahala amin'ny endrika fitaintainana ara-tsaina izay mipoitra amin'ireo mpitondra fiara sasany rehefa mihitsoka anaty fifamoivoizana. Marary an-doha ireo mpitondra fiara miatrika an'ity trangan-javatra ity, tsemboka ny tanana ary mitombo ny fitempon'ny fo. Amin'ny tranga tena mafy dia mahatsapa ho fanimpanina izy ireo, manaintaina ny vavony ary very fahatonian-tsaina, izay mitarika faharatsian'ny familiana ary, indraindray, miafara amin'ny loza. Mbola zava-dehibe noho izany, mifamatotra amin'ny tahan'ny fahaketrahan-tsaina mitombo be ao an-tanàna ny fitohanan'ny fifamoivoizana ao Lagos. Dr Olufemi Oluwatayo, mpahay manokana ny ara-tsaina no manazava bebe kokoa : “miala ao an-tranony izy ireo amin'ny 4 ora maraina, miaritra ny fitohanan'ny fifamoivoizana mahamonamonaina ary avy eo tsy maintsy miatrika ny faneren'ny asa sy ny tsy fandriampahalemana eo amin'ny asa, raha tsy ampian'ny olana ara-pianakaviana manokana sy ny adidiny koa. Tsy mahagaga raha toa, amin'ny ankapobeny, marobe ireo olona toa mijaly noho ny fitaintainana sy fahaketrahan-tsaina.” “Tsy maintsy miasa ny olona mba hitetika” [ara-bakiteny : tsy maintsy miasa ny olona mba hihinana] dia fomba fiteny malaza amin'ny fiteny pidgin Nizeriana ao Lagos. Saingy, ireo mpitatitra ao Lagos very 75% n'ny ora hiasan'izy ireo isan-kerinandro noho ny fifamoivoizana dia tsy misy antoka fa ho ampy ho entiny “mitetika” ny vokatr'izy ireo. Ireo mpiasa izay mandany ny fiantombohan'ny androny kivy amin'ny fifamoivoizana dia mety hanomboka ny tontolo androny tsy misy fahavitrihana. Olana goavana io, tsy ho an'ny mpiasa ihany fa ho an'ny mpampiasa ihany koa. Miantefa amin'ny orinasa iray amin'ny ambaratonga ambonimbony kokoa ny fitohanan'ny fifamoivoizana, indrindra indrindra fa raha mpampiasa mandinika ny sandan'ny lojistika, ny saran'ny fitaterana sy ny fahamarinam-potoanan'ireo mpiasa. Etsy andaniny, dinihan'ireo tompona fiara ny vidin'ireo fanoloana sy fanamboarana matetika noho ny haratsin'ny làlana manodidina an'i Lagos. Amin'ny ankapobeny, tsy tambo ho isaina ny vokatry ny fitohanan'ny fifamoivoizana eo amin'ny fiainan'ireo mpitatitra ao Lagos. Tsy ny fahasalamana ara-tsainan'ireo mponina ao an-tanàna irery ihany no tratrany, fa hatrany amin'ireo lafiny samihafa amin'ny fiainan'izy ireo : ny fanambadiana, ny fianakaviana, ny fampianarana ireo ankizy sy ny fifandraisana ara-tsosialy. Toy izany koa, mitohy mijaly amin'ny ankapobeny ny toekarena manontolon'ny firenena, misy mponina maherin'ny 8 tapitrisa manome ny ampahany amin'ireo hery mpamokatra ao amin'ny firenena, nihena ny fahafahan'izy ireo mamokatra amin'ny fandaniana ny androantokon'andron'izy ireo mivezivezy ao an-tanàna.
https://mg.globalvoices.org/2022/08/04/159102/
Tatitry ny “Unfreedom Monitor”: Sodàna
2022-08-04T18:22:26
Unknown
Sary nomen'i Ameya Nagarajan Efa hatry ny ela no sarotra be ny fifandraisan'ireo fitondrana tsy refesi-mandidy sy ny media ary ny teknolojiam-pifandraisana. Ny “ Unfreedom Monitor ” dia hetsika fikarohana sahanin'ny Global Voices Advox, mandalina ireo zavamiseho tsy mitsaha-mirongatra misy ataon'ireo mpitondra tsy refesi-mandidy anaty tambajotra na nomerika. Ity sombiny ity, momba ny tolona ataon'i Sodàna hiadiana amin'ny fitondràna tsy refesi-mandidy anaty tambajotra, dia avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka avy amin'ny fikarohana teo ambany fiahian'ny Unfreedom Monitor. Vakio ato ny tatitra feno. Fironana mirongatra be erantany ny fanaovana tsy refesi-mandidy amin'ny nomerika, saingy tsy mbola misy angon-drakitra fampitahàna momba ny anjara toerana raisin'ilay tranga any amin'ireo firenena samihafa manerana izao tontolo izao. Ny “Unfreedom Monitor” dia hetsika iray an'ny Global Voices Advox natao hahatakarana, hametrahana an-tsarintany, ary hanaovana fampitahana ireo tranga anaty toejavatra samihafa, ka isan'izany ny ao Sodàna. Ity  lahatsoratra ity dia mitrandraka ireo fanamby atrehan'ny vahoaka sodaney ao anatin'ny habaka nomerika, amin'ny alàlan'ny fandalinana ireo antony manosika ho amin'izany, ny fomba sy ireo fitaovana ampiasain'ireo mpanao jadona ary ny valinkafatry ny vahoaka rehefa miezaka ny handingana / hiala amin'ny jadona nomerika izy ireo. Atambatr'ilay fanadihadiana ny fomba fijerin'ny Civic Media Observatory ato amin'ny Global Voices sy ny fandalinana ny kalitaon'ireo olana araka ny trangan-javatra manodidina ny jadona nomerika mba hoentina mamaritra ny tena fototry ny jadona nomerika misy ao Sodàna. Hitan'ilay lahatsoratra fa ny tahotra ho tomponandraikitra, ny tahotra ho very fahefana, ny fiarovana ny tombontsoa manokana sy ny an'ny fanakaviana, ny fiarovana ireo fifamatorana misy, ary ireo antony ideôlôjika hafa no manosika ireo mpitondra tsy refesi-mandidy haka tàhaka ny teknikan'ny mpanao jadona any anatina toejavatra hafa. Marobe amin'ireo fitaovana sy fomba naparitaka ao Sodàna no napetraka hamonoana ny hetsika an-tserasera. Tsy mijanona fotsiny amin'ny sivana ireo fomba fanao ireo, na ny fandisoana vaovao, fa tafiditra ao koa ny fandrindràna fitondrantena aseho tsy araka ny tokony ho izy (coordinated inauthentic behaviour -CIB), ny fanafoanana fahafahana miditra, ary ny famoahana lalàna manjavozavo. Ampiasain'ny governemanta ihany koa ny lalàna mba hiasàn'ilay jadona nomerika sy mba hahazo fiarovana araka ny lalàna ireo tetikadiny. Afaka idiran'ny governemanta daholo ireo fotodrafitrasa momba ny fifandraisan-davitra (foibe fitahirizan-drakitra ary ireo birao), izay loza mitatao ho an'ny fiarovana ny habaky ny aterineto sy ny fiainana manokan'ireo mpampiasa. Kanefa  misy ny fanoherana. Navoitran'ity fikarohana ity fa ireo olompirenena ao anatiny sy any ivelan'i Sodàna dia nampiasa fomba isankarazany mba hialàna amin'ny famoretana nomerika sy hiarovan-dry zareo tena amin'ny herisetram-panjakana, na ara-batana izany, na eny anaty aterineto. Vakio ato ny tatitra feno (angl.). Unfreedom Monitor
https://mg.globalvoices.org/2022/08/09/159130/
Nahoana no mbola ambany be ny fanamelohana ireo mpanolana ao Nizeria
2022-08-09T05:35:41
Unknown
Tovovavy Nizeriana iray milanja sora-baventy nandritra ny fihetsiketsehana fanentanana nataon'ny Lead Footprints Africa momba ny fanolanana. Sary Wikimedia avy amin'i Iamvirtuousven , 25 Febroary 2021, (CC BY-SA 4.0) Manjary loza tsy voavaha ny raharaha fanolanana any Nizeria. Manampy trotraka ny tsy fandriampahalemana ho an’ny olom-pireneny, indrindra ho an'ny vehivavy sy ny ankizy ny fahavitsian’ny taham-panamelohana amin’ireo raharaha ireo. Milaza i Evans Ufeli, mpisolovava momba ny zon'olombelona fa valo ambin'ny folo monja ny fanamelohana fanolanana voarakitra ara-dalàna ao Nizeria, raha mbola mipetraka eny amin'ny fitsarana, miandry ny fitsarana an-taonany maro kosa ny hafa. Matetika ireo lasibatra amin'ny fanolanana ireo no miafara amin'ny fahoriana ara-pihetseham-po sy ara-batana vokatry ny zavatra niainany, izay misy akony eo amin'ny fomba fijeriny ny fiainana, ny fiaraha-monina, ny lehilahy, ny vehivavy, ny havany anisan'izany ny vady sy ny maro hafa. Anton'ny fahavitsian'ny taham-panamelohana Samuel Agweh, Mpisolovava zokiolona ao Nizeria (mitovy toerana amin'ny mpanolo-tsain'ny mpanjakavavy any Royaume-Uni) nanome ireo antony sasany amin'ny tsy fahampian'ny fanamelohana ireo mpanolana ao Nizeria. Nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices, nanantitrantitra i Agweh fa, “tambazan'ny ankamaroan'ireo meloka vola ireo niharam-boina na ny fianakaviana mba hampitsaharana ny fiampangana azy ireo.” Nambaran’ity mpisolovava ity fa noho ny kolikoly dia tsy mety mijoro vavolombelona ny fianakaviana. Indraindray mbola te hanao izany (hitory) ny olona tafavoaka velona, saingy avy hatrany dia nosakanan’ny fianakavian’izy ireo tsy hiakatra fitsarana. Sakantsakana iray hafa mety ho hita ny resaka fanilikilihana sy henatra izay iharan’ireo lasibatra. Tsy takona afenina fa sarotra ny mivoaka ho hitan'ny besinimaro amin’ny maha lasibatry ny fanolanana, saingy mavesatra kokoa ny fanilikilihana izay apetrany amin’ny tafavoaka velona. Izany ihany koa no antony mety hisian'ny fahaketrahana amin'ireo tafavoaka velona ireo. Tsy mora amin’ny fiarahamonina ihany koa ny mivoaka miresaka tranga tahaka izao satria hita ho “mahamenatra” ho an’ny vehivavy na lahy ny mitondra izany sata voaolana izany, indrindra ho an’ny vehivavy. Misy olona tafavoaka velona mandà tsy hitory raha olona ao amin'ny fianakaviana ilay mpanararaotra ary mety tsy te handratra ny anaram-pianakaviana. Mankamamy ny hasarobidin’ny fianakaviana indrindra ny fiarahamonina any Nizeria, ka ho menatra ny mpianakavy voampanga ho nanolana ny fianakaviany ihany. Noho izany dia mora kokoa ny manilika ny olana, hoy i Agweh, mpisolovava zokiolona ao Nizeria, nanazava bebe kokoa. Ny tsy fahavononan'ireo lasibatra hitatitra ny raharaha noho ny tsy fahampian'ny finoana ny rafitra ara-pitsarana Nizeriana no antony iray hafa mahatonga ny taha ambany amin'ny fanamelohana ny fanolanana. Tsy mino ireo lasibatra fa afaka manampy azy ireo ny rafitra ara-pitsarana indrindra fa efa an-taonany maro no nijoroan’ny rafi-pitsarana, saingy tranga fanolanana valo ambin’ny folo monja no notsaraina hatramin’izay. Tsy mamporisika na iza na iza hitondra ny raharahany any amin'ny fitsarana izany. Fanampin'izany, matetika manome tsiny ilay niharam-boina ireo vondrom-piarahamonina ao Nizeria, matetika mitady ny banga amin'ny tantara. Fanolanana ara-panambadiana sy fanolanan'ny lehilahy Araka ny rakibolana Britannica , izay firaisana ara-nofo atao amin-kery aorian'ny fandavana na tsy faneken'ny olon-kafa dia fantatra sy voarakitra ho fanolanana. Raha toa ka tsy manaiky hanao firaisana amin'ny olon-tiany ny vadiny, dia ara-dalàna ho fanolanana izany. Ny Fizarana 1(1) ao amin'ny Lalàna Fandraràna ny Herisetra Amin'ny Olona ( VAPPA ) 2015 ao Nizeria dia mamaritra ny fanolanana ho fampidirana amin'ny “fivaviana, lava-body, na vavan'olona hafa sy amin'ny faritra hafa amin'ny vatany na zavatra hafa. ”Manazava bebe kokoa ny VAPPA fa mitranga ny fanolanana isaky ny misy “fahazoana fanekena amin’ny alalan’ny hery na fomba fandrahonana na fampitahorana amin’ny karazany rehetra na amin’ny tahotra ny hanisy ratsy na amin’ny alalan’ny fanehoana diso sy hosoka momba ny toetry ny hetsika na ny fampiasana izay zavatra na fanampiny hafa afaka manala ny sitrapon'ny olona toy izany na amin'ny olona manambady amin'ny alalan'ny fisandohana ny vadiny.” Faritan'ny lalàna ny sazy an-tranomaizina 14 taona fara-fahakeliny ho an'ny zaza tsy ampy taona, 12 taona an-tranomaizina farafahakeliny ho an'ny olon-dehibe, tsy misy safidy fandoavana onitra, ary 20 taona fara-fahakeliny an-tranomaizina tsy misy safidy onitra noho ny fanolanana tambabe. Mbola tsy ampy fankatoavan'ny besinimaro ny fametrahana ny fanolanana anaty fanambadiana ho “fanolanana” eo amin'ny fiarahamonina Nizeriana. Na izany aza, nanambara ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka momba ny fahasalamam-bahoaka Nizeriana, Ogunwale sy ny hafa fa matetika ny vehivavy manambady no niharan’ny fanolanana teo am-pelatanan’ny vadiny. Toy izany koa, ny fikarohana nataon’i Mary Esere sy ireo mpanolotsaina mpitari-dalana telo hafa ao amin’ny Oniversiten’i Ilorin any Nizeria, dia nampiseho fa matetika vokatry ny “fifandraisana ara-pahefana tsy mitovy; ny fiankinan-doha amin’ny alikaola sy ny zava-mahadomelina ary ny fialonana” avy amin’ny vady ny fanolanana anaty fanambadiana. Ny raharaha fanolanana lehilahy dia zara raha miseho vaovao ao Nizeria noho ny fanilikilihana ara-kolontsaina sy ny fady mifandray amin'izany. Na izany aza, maro ireo tranganà fanolanana tovolahy lasibatra ao amin'ny firenena. “Naolan'ny lehilahy na vehivavy namany” ireo lehilahy ireo, hoy i Odimegwu Onwumere, mpanao gazety Nizeriana. Grace Obike, mpanao gazety ao amin'ny International Center of Investigative Journalism (ICIJ), gazety an-jotra, kosa milaza fa “matetika” ny fisian'ny fanolanana ankizilahy ary mitohy noho ny tsy fahombiazana amin'ny “fanenjehana ireo mpanao heloka bevava.” Raha nitafatafa tamin'ny olona lasibatry ny fanolanana ny mpiara-miasa tamiko iray, izay nanana tantara mitovy amin'ilay tranga voalaza etsy ambony, dia nilaza izy fa ny antony tsy nahazoan'ny raharahany ny rariny araka izay ilainy dia ny noho ny nilazan'ny mpampanoa lalàna misahana ilay raharaha fa “ tsy azo aolana mihitsy ny ankizilahy.” Mihevitra ny rafitra ara-pitsarana fa tsy azo atao ny manolana lehilahy any Nizeria. Noho izany, tsy maintsy miatrika mangingina ny ratram-pony ny lehilahy Nizeriana satria tsy mila marika na lazaina ho kanosa izy ireo.
https://mg.globalvoices.org/2022/08/02/159029/
Lehibe fahiny tao amin'ny sampam-pitsikilovana Gambiàna, voaheloka ho faty noho ny namonoany mpikatroka pôlitika
2022-08-02T08:16:17
Unknown
Yankuba Badjie no talen'ny Masoivoho Nasiônaly Fitsikilovana (NIA) izay efa foana ankehitriny ao Gambia. Sary an'ny Alkamba Times, nahazoana alànana. Tamin'ny 14 Jolay 2022 ity lahatsoratra ity no navoaka voalohany tao amin'ny The Alkamba Times . Ny dika nokiraina avoakan'ny Global Voices etoana dia tafiditra ao anatin'ny fifanarahana hifampizara votoaty. Ny 13 Jolay, nohelohin'ny fitsaràna iray ao Banjul, renivohitra gambiàna, ho faty i Yankuba Badjie , tale fahiny tao amin'ny Masoivoho Nasiônaly Fitsikilovana [fr] ( NIA) noho ny resaka vono olona. Ing. Badjie sy olona dimy hafa [fr]– Sheik Omar Jeng, Baboucarr Sallah, Tamba Masireh ary Lamin Darboe – dia voaheloka ho namono nahafaty an'i Ebrima Solo Sandeng tao amin'ny toeram-piasan'ny NIA tao Banjul, fito taona lasa izay. Ing. Badjie no nitarika ireo sampam-pitsikilovana nanomboka ny Desambra 2013 hatramin'ny 2016, teo ambanin'ny fitondràna jadon'ilay filoha fahiny Yahya Jammeh. Ny 14 Aprily 2015, Ing. Sandeng, izay lehiben'ny sampana tanora tamin'izany fotoana izany tao anatin'ny antoko mpanohitra United Democratic Party , dia nitarika diabe am-pilaminana iray nataon'ny mpanohitra mba hitakiana fanovàna pôlitika. Nosamborina izy niaraka tamina mpikambana enina hafa avy amin'ny antoko UDP. Nandritra ireo ora maro nanaraka taorian'izay, niampijalijaliana mafy tao amin'ny foiben-toeran'ny sampam-pitsikilovana NIA ireo mpikatroky ny UDP ireo . Maty nandritra ny fitazonana azy Ing. Sandeng, taorian'izay nofaritan'ireo mpampanoa lalàna ho fomba fitondra faran'izay henjana sy tsy manaja ny maha-olona ny nataon'ireo olon'ny NIA sy ireo mpikambana avy amin'ny ‘commando” iray fanta-daza tamin'ny hoe Junglers. Ny fahafatesan'Ing. Sandeng no niteraka « onjan-katezerana iray » tao anatin'ilay firenena bitika indrindra ao Afrika, hoy ny Al Jazeera . Vesatra niisa 25 no notazonin'ireo mpampanoa lalàna avy amin'ny fanjakàna niampangàna ireo voampanga, niainga avy amin'ny firaisana tsikombakomba mba hanatontosana famonoana, heloka bevava, fahavoazana henjana, fakàna fanànan'olona, fampiasàna hosoka sy tsy fanarahana ny didy mifanaraka amin'ny lalàna, ankoatra ireo maro hafa. Didy iray namàrana dingam-pitsarana naharitra taona enina Ebrima Solo Sandeng maty tany am-pitazonana azy, taorian'ny fampijaliana tsy zakan'olombelona nataon'ireo olon'ny NIA tamin'ny 2015. Sary an'ny Alkamba Times, nahazoana alàlana Ilay ramatoa mpitsara ao amin'ny Fitsaràna Avo, Kumba Sillah Camara, raha nitanisa ny andininy faha-188 amin'ny Didy Famaizana sy ireo lalàna hafa ao Gambia, dia nilaza fa ny fanamelohana dia nanome fahafahampo ireo “vesatra niainga avy amin'ireo porofo misy isalasalàna” .  Araka ny filazany, izany no tontosa dia noho ireo porofo materialy sy tsy azo lavina naseho teo anatrehan'ny tribonaly ka namaritra ny fomba nikononkononan'ilay voampanga sy nampijaliany mandrapahafaty an'i Sandeng. Ankoatra izay dia nilaza ihany koa ramatoa mpitsara, Camara, teo anatrehan'ireo olona marobe nameno ny efitrano fitsaràna fa namoronan’ ireo voampanga kopia fanamarinam-pahafatesana nilazàna fa “noho ny dona sy olana ara-pisefoana” no nahafaty an'Ing. Sandeng. Ireo fehezana porofo manandanja ireo no fototra nentina nanaporofoana ny maha-meloka ireo olona voampanga tamin'ny fanafenana ilay vono olona . Navoitrany fa ireo porofo dia manondro ny Junglers ho tomponandraikitra tamin'ny fanaovana fitondra tsy manaja ny maha-olombelona nampizakaina an'ireo niharam-boina. Nohamafisin'ilay mpitsara fa i Sheikh Omar Jeng sy Yankuba Badjie no tena tompo-marika fototra tamin'ireo fampijaliana tafahoatra, izay nitarika fahavoazana mandalo na maharitra ho an'ireo niharany ka mbola velona. Ilay tomponandraikitry ny sampam-pitsikilovana, Ing. Badjie, sy ireo olona efatra hafa mpikambana fahiny tao anatin'ny NIA dia voampanga ihany koa higadra 5 hatramin'ny 10 taona, noho ny heloka isankarazany izay nokasaina hotanterahina miaraka nandritra ny fotoana niarahana tany am-ponja. Dokotera Lamin Lang Sanyang, voampanga higadra 10 taona noho ny fanaovana hosoka. Nandritra ilay fitsaràna vono olona naharitra fotoana lavabe, nanomboka tamin'ny Martsa 2017, nisy olona iray hafa voampanga,   tale jeneraly lefitra fahiny sady lehiben'ny hetsika fanaon'ny NIA, Leese Gomez, no nodimandry, ary iray hafa kosa no notsoahana tsy ho ao anatin'ilay raharaha. Iray hafa voampanga, Haruna Suso, no afaka madiodio sy nafahan-dramatoa lehiben'ny Fitsaràna tamin'ireo vesatra fiampangàna rehetra. Ny fianakavian'Ing. Sandeng mankasitraka ilay didim-pitsaràna Muhammed Sandeng, zanakalahin'itompokolahy Solo Sandeng, lehiben'ny mpanohitra. Sary an'ny Alkamba Times, nahazoana alàlana. Olona maromaro avy amina ankolafy samihafa no nanatri-maso ny fitsaràna, indrindra fa ny fianakavian'ny maty. Muhammed Sandeng, izay nitarika ny fisoloana vava mba hitondràna ireo namono an-drainy hiatrika ny fitsaràna, dia nilaza tamin'ny Alkamba Times hoe: Tanaty fahatoniana tanteraka no namoahana ilay didim-pitsaràna, ary araka ny tokony ho izy ny sazy. No tontosain'ireo mpamono t amin'ny fanaovana ho tsinontsinona tanteraka sy fanahy niniana izany , satria nihevitra ny tenany ho tsimatimanota ry zareo mandra-pipaingotry ny fitsaràna azy. Ny hafatra alefan'io dia tsy tokony hanararaotra na iza na iza mitàna ny fahefàna, satria lava tànana ny fitsaràna.
https://mg.globalvoices.org/2022/08/04/158996/
Umasoye: Mpikatroka fiteny mampiasa teknolojia hahatonga ny fianarana ny teny Ekpeye hahafinaritra
2022-08-04T04:47:28
Unknown
Sary nomen'i Franca Umasoye Igwe ary nahazoana alalana. Tamin'ity herinandro ity izahay niresaka tamin'i Franca Umasoye Igwe, antsoina hoe Umasoye mpikatroka ankihy ny fiteniny. Avy any Nizeria i Umasoye ary liana amin'ny fihaonan'ny teknolojia, ny haino vaky jery ary ny fikolokoloana ny fiteny Ekpeye. Zana-bondrona Igbo monina ao amin'ny faritr'i Ahoada ao amin'ny fanjakan'i Rivers, Nizeria ny vahoaka Ekpeye. Nitondra ny fietanampony tao amin'ny ONG-FTMF izay naoriny, ny Speak Ekpeye Fluently Language Initiative i Umasoye. Mampiseho mazava ny tranonkala fa nametraka ny finoany i Umasoye fa tokony hahasarika sy hahafinaritra amin'ny fampiharana ny faharetan'ny teny — sahisahy, marevaka ary manintona ny bika isehoany (interface) ary ahitana fitaovana toy ny boky maimaim-poana momba ny fiteny, lesona ary rakibolana. Tamin'ny volana lasa teo, nanangana tetikasa mpandresy mitondra ny lohateny hoe “tetikasa Afrilingo” ihany koa i Umasoye sy ny ekipany nandritra ny Fihaonam-be Manerantany Fihazakazahana momba ny Fiarahamonin-Torohay (World Summit on Information Society Hackathon), izay nampiantrano ny hetsika niaraka tamin'ny International Decade of Indigenous Languages (Taompolo Iraisampirenena ho an'ny Fiteny Indizeny). Tafiditra ao anatin'ilay tetikasa ny famoronana fampiharana lalao iray hianarana momba ny fiteny sy ny kolontsaina indizeny. Fantaro bebe kokoa tamin'ny resadresakay taminy eto ambany ny momba ny fanoloran-tenan'i Umasoye amin'ny fanapariahana ny teny Ekpeye amin'ny alàlan'ny fampitambaovao ankihy. Rising Voices (RV): Mba lazao anay azafady ny momba anao sy ny asanao mifandraika amin'ny fiteny. Franca Umasoye Igwe (Umasoye) : My name is Franca Umasoye Igwe, but I prefer to be called Umasoye. I'm a Nigerian born creative writer, tech enthusiast and an advocate for indigenous languages. I am skilled in photography and digital marketing, and currently pursuing a degree in agricultural extension and rural sociology at the prestigious Rivers state university.  I'm very passionate about using tech for the sustainability and revitalization of Indigenous languages. Recently I ideated a solution for language loss “project Afrilingo” which emerged as the winning project.  I was able to co-create this with two techies during the WSIS hackathon for Indigenous languages . I want to be able to tackle the problems of language loss as much as I can through tech. In 2020 I founded the Speak Ekpeye Fluently Language Initiative. This is an NGO committed to revitalizing the Ekpeye language, a minoritized language spoken in Rivers State, Nigeria, which is at risk of going extinct. Through my advocacy with my team, I have been able to create a learning environment for the Ekpeye language in digital spaces (on the web and social media). I believe that every child should be given a fair opportunity to learn their mother tongue before any other language as this is essential to their identity and to preserving indigenous languages. RV: Manao ahoana ny toetry ny fiteninao amin'izao fotoana izao na anjotra na ivelanjotra? Umasoye : The Ekpeye language is gradually gaining presence in the online space through the work of the Speak Ekpeye Fluently Language Initiative. We look forward to having more accessible resources online in years to come. Offline, the language is spoken mainly by elders as the Gen-Zers and millennials seem uninterested. This challenge we aim to tackle through the use of digital tools. Umasoye : Mahazo vahana tsikelikely ao amin'ny sehatra aterineto amin'ny alalan'ny asan'ny Speak Ekpeye Fluently Language Initiative ny fiteny Ekpeye. Manantena hanana fitaovana azo idirana kokoa amin'ny aterineto izahay amin'ny taona ho avy. Ny zokiolona no tena mampiasa ny fiteny ivelanjotra satria toa tsy liana ireo Taranaka Z (teraka teo anelanelan'ny taona 1997 sy 2010) sy ny zokiny (Y). Mikendry hamaha izany fanamby izany amin'ny alàlan'ny fampiasana fitaovana ankihy izahay. RV: Inona no antony manosika anao hahita ny fiteninao amin'ny sehatra ankihy/nomerika/dizitaly? Umasoye : My motivation for having Ekpeye in the digital space is to see that young Ekpeye youths embrace and learn their language in a relatable space. Hopefully this will reduce their language apathy. Umasoye: Ny antony manosika ahy hametraka ny teny Ekpeye ho eo amin'ny sehatra ankihy/nomerika dia handraisan’ ny tanora Ekpeye sy hianarany ny fiteniny amin'ny sehatra azo ifandraisana. Antenaina fa hampihena ny tsy firaharahiana ny fitenin'izy ireo izany. RV: Farito ny sasany amin'ireo fanamby izay manakana ny fiteninao tsy ho azo ampiasaina feno anjotra Umasoye : Some of the challenges that prevent Ekpeye being fully utilized online are: No proper documentation of the Ekpeye language in recent times. Lack of funding for developing special apps or web environments between learners and native speakers. Umasoye: Ny sasany amin'ireo fanamby manakana ny Ekpeye tsy ho ampiasaina feno anjotra: 1.Tsy misy antontan-taratasy sahaza momba ny fiteny Ekpeye tato ho ato. 2. Ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola amin'ny famolavolana fampiharana manokana na tontolon'ny tranonkala eo amin'ny mpianatra sy ny teratany mpampiasa ny fiteny. RV: Raha ny hevitrao, inona no dingana mivaingana azo atao hanentanana ny tanora hanomboka hianatra ny fiteniny na hampiasa ny fiteniny hatrany? Umasoye : Young people can be encouraged to learn their language by using a fun and interesting approach that appeals to them while educating them on the importance of language sustainability. A fun approach that can be used is music, the creation of language gaming apps as well as family influence. Umasoye: Azo ampirisihina hianatra ny fiteniny ny tanora amin'ny alalan'ny fampiasana fomba fiasa mahafinaritra sy mahaliana izay manintona azy ireo no sady mampianatra azy ireo ny maha zava-dehibe ny faharetan'ny fiteny. Fomba mahafinaritra azo ampiasaina ny mozika, ny famoronana fampiharana lalao amin'ny fiteny ary koa ny fitaoman'ny fianakaviana.
https://mg.globalvoices.org/2022/07/21/158912/
Nitambotsotra ho firenena tsy milamina mampatahotra i Nizeria
2022-07-21T06:09:26
Unknown
Polisy ao Kaduna, Nigeria atsimo afovoany. Sary avy amin'i Allan LEONARD/MrUlster , 8 novamb 2013. ( CC BY-NC 2.0 ) Lasa fanjakana tsy azo antoka i Nizeria, firenena be mponina indrindra eto Afrika ary iray amin'ireo firenena manankohariana lehibe indrindra eto Afrika. Manomboka amin'ny jiolahy mitam-piadiana any avaratra andrefana ka hatrany amin'ny Boko Haram Jihadista mpampihorohoro any avaratra atsinanana, nanampy trotraka ny tsy fandriampahalemana ao amin'ny firenena be mponina indrindra eto Afrika. Ny mahatsikaiky amin'ireo fanamby ara-piarovana atrehin'i Nizeria amin'izao fotoana izao dia ny nanaovan'ny firenena, ary mbola tohizany, firotsahana tanteraka eo amin'ny amin'ny lafiny ara-bola, olombelona, ​​ara-pitaovana ary ara-tafika mba hampiroboroboana ny fampandrosoana an'i Afrika, ny fandriampahalemana sy ny filaminana ao amin'ny kaontinanta. Izany no antony “mbola ibanjinan'ny firenena afrikanina an’i Nizeria” na dia eo aza ny “kilemany amin’ny maha-firenena azy”, hoy i John Usanga, masoivohon’i Nizeria any Ginea Bissau. Ary mbola hita amin'izao fotoana izao fa laharana faha-17 amin'ny fanjakana tsy milamina indrindra eran-tany i Nizeria, araka ny Tondrom-Pandriampahalemana manerantany taona 2022. Fiaran-dalamby mampitohy an'i Abuja-Kaduna Tamin'ny 28 Marsa 2022, fiaran-dalamby iray mihazo an'i Abuja-Kaduna no notafihin'ny mpampihorohoro, ary olona 62 farafahakeliny no natao takalon'aina ary sivy no maty. Tao amin'ny lahatsary noraketina talohan'ny nanafahana ny iray tamin'ireo nalaina an-keriny, voalaza fa niteny ireo jiolahy fa “tokony hihaona aminay haingana ny governemanta alohan'ny hamadihana ity toerana ity ho toeram-pamonoana (olona) satria tsy misy dikany aminay ny famonoana ireo olona ireo.” Fa ny tena nanaitra dia ny fanambaran’ilay jiolahy hoe “Tsy resaka vola izany. Tsy afaka manao izany noho ny resaka vola izahay. Fantatry ny fanjakana izay tadiavinay”, hoy ny Vanguard, gazety Nizeriana. Raha ny fantatra dia fifamaliana manokana teo amin’ny jiolahy sy ny mpitondra fanjakana no nahatonga ity herisetra ity. Ao anatin'ity tontolo politika ity, tsy mahagaga raha mihorohoro ny olom-pirenena, ka 242.326 ireo Nizeriana nandositra tany ivelany tamin'ny faran'ny taona 2019 fotsiny, araka ny filazan'ny sampana fifindra-monina sy mpitsoa-ponenana ao Vatican. Ny Boko Haram, vondrona mpampihorohoro naorina tamin'ny 2002 tany Maiduguri avaratra-atsinanana, no loza mitatao lehibe indrindra ho an'ny miaramila Nizeriana nandritra ny taona maro. Voalaza fa tompon'antoka tamin'ny fahafatesan'ny Nizeriana maherin'ny 350.000 ity vondrona mpampihorohoro ity hatramin'ny taona 2009, araka ny voalazan'ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD). Tamin'ny taona 2014, naka an-keriny mpianatra vavy miisa 276 tanelanelan'ny 16–18 taona, kristiana avy amin'ny Sekolin-jazavavy an'ny Governemanta ao an-tanànan'i Chibok ao Fanjakana Borno, Nizeria ny ankamaroany, ilay vondrona mpampihorohoro manana anarana hoe “ Boko Haram ” midika hoe “fady ny fampianarana tandrefana”. Mbola any amin’ny fahababoana ireto tovovavy miisa 109 ireto hatramin'izao fotoana izao. Vao haingana kokoa, tamin'ny 6 Jona, nodoran'ny mpampihorohoro Boko Haram ny kamiao telo teo amin'ny lalana malaza Damaturu-Maiduguri any Borno any avaratratsinanan'i Nizeria, hoy ny tatitra nataon'ny SaharaReporters, masoivohom-baovao Nizeriana. Matahotra ny amin'ny ainy [fiarovana azy] ireo Nizeriana ary marina izany. Tamin'ny taona 2019 dia 12 teo ho eo no maty isaky ny mponina 1000 tany Nizeria, ary tamin'ny taona 2018 , dia nisy 838 ny tranga fakana an-keriny tany Nizeria, araka ny filazan'ny Statista, orinasa mpanangon-torohay alemà. Fametrahana ho fenitra ny Herisetra? Tsy vitan’ny fandrahonan’ny jiolahy mitam-piadiana na fampihorohoroana ihany anefa ny filaminana ao amin’ny firenena fa eo amin’ny andavanandron'ny olom-pirenena  ihany koa. Tamin'ny 29 marsa, tao amin'ny kianja MKO Abiola ao Abuja, renivohitr'i Nizeria, taorian'ny kiririoka farany, nanafika ny kianja ireo mpankafy Nizeriana ary nanapotika ny kianja . Nitanga ity fanafihana mahery vaika ity taorian'ny faharesen'i Nizeria teo amin'ny fiadiana ny amboaran'ny firenena afrikanina, fifaninanana izay heverina fa tena tiany indrindra , hoy ny ESPN. Ho fanampin'izany, fanindroany teo amin'ny tantara tsy tafiditra hanao mondialy (fiadiana ny amboara eran-tany) ny firenena — sambany hatramin'ny taona 2006 . Voalaza fa noterena hiakatra an-kianja ireo mpankafy Ghaneana taorian'ny nanafihan'ny maro azy ireo teny amin'ny fijerem-baolina (gradins). Mety niteraka fitsaharan'ny fitempon'ny fo ho an'i Dr. Joseph Kabungo, manamboninahitra misahana ny (fihinanana mampatanjaka tsy manara-dalàna (doping) amin'ny lalao Abuja-Ghana, izay maty taoriana kelin'ny kiririoka farany izany herisetra izany. Toy izany koa, tao amin'ny kianjan'i Kano's Sani Abacha tamin'ny 16 Aprily, nanafika ny kianja teo amin'ny minitra faha-82 ireo mpankafy Kano pillar feno hatezerana, nanimba fiara, nanafika mpankafy hafa, nahatonga ny mpilalao sy ny tompon'andraikitra amin'ny lalao handositra ho fiarovana ny ainy, ary nanery ny lalao hijanona mialoha ny fotoana. Nitranga izy ity iray volana latsaka taorian'ny fisehoan-javatra mahatsiravina tamin'ny lalao fifanintsanana amin'ny fiadiana ny amboara erantany tao Nizeria nifanandrinany tamin'i Ghana tao amin'ny kianja MKO Abiola, Abuja. Mampiseho koa izany fa tsy lasibatra hatrany ny olom-pirenena, fa mety ho mpanao herisetra ihany koa. Avy amin'izany, hiharatsy hatrany ny tsy fandriam-pahalemana any Nizeria noho ny ataon'ireo mpiantsehatra ratsy finoana Manampy trotraka ny toe-javatra, fanahy iniana na tsinahy. Mifanohitra amin'izany kosa, amin'ny tatitra isan-taona Fanaon'ny Tondrom-Pandriampahalemana manerantany notanterahana, [ho an'ny] firenena Afrikana toa an'i Maorisy, Botswana, ary na dia Ghana aza, dia heverina ho firenena azo antoka kokoa ireo mpifanolo-bodirindrina amin'i Nizeria. Mitana ny laharana faha-28 i Maorisy ary faha-38 amin'ny firenena azo antoka indrindra manerantany i Ghana. Saika ny faritra rehetra ao amin’ny firenena no tsy azo antoka . Fiantraikany mivantana ataon'ny sivily, ny sampan-draharaham-panjakana ary ny mpiasan'ny fiarovam-pirenena tsy mitsahatra ny manao asa mitovy amin'ny fampihorohoroana ity tsy fandriam-pahalemana ity. Tsy maintsy miasa avy hatrany i Nizeria amin'ny maha-manda iray tafaray (olom-pirenena sy governemanta) azy hampihatra paikady hampihisatra na mety hampivadika ity fironanamandeha  haingana ity, hiaro ny vahoakany sy ny fireneny mba hahafahany manohy ny maha-Nizeria “iray tsy mivaky” azy ho an'ny taranaka ho avy.
https://mg.globalvoices.org/2022/07/20/158859/
Ahariharin'ny ‘Ikorodu Bois’ fa mampisandratra ny sarimihetsika nizeriana amin'ny tontolo manerantany ny sehatra ankihy (dizitaly)
2022-07-20T05:34:22
Unknown
Pikantsarin'ny IIkorodu Bois avy amin’ny CNN spotlight . Nampihetsi-po ny tao amin'ny media sosialy ny “ Ikorodu Bois ” any Nizeria: Babatunde Sanni, MuizSanni, Malik Sanni, ary Fawas Aina taorian'ny fomba fiasan’izy ireo mampitolagaga tamin'ny famokarana horonantsary. Nanjary nalaza avy hatrany hatramin’ny nanombohan’izy ireo tamin’ny taona 2017 ny fomba fanaon'ny tanora amin'ny fanesoana ireo sarimihetsika malaza Hollywood sy Nollywood (ny indostrian'ny sarimihetsika Nizeriana), mampiasa teknikam-pikirakiraba bontolo, ary mizara azy ireo amin'ny sehatra ankihy (dizitaly-nomerika). Natomboka ny fiainam-panaovana sarimihetsika “Ikorodu Bois” rehefa nanomboka nizara horonantsary tao amin'ny  YouTube ry zareo. Nanjary nalaza ry zareo tamin'ny fakana tahaka mahatsikaiky ny sarimihetsika toy ny “Money Heist”, “Squid Game”, sy ny hafa. Tamin'ny volana Aprily, nankasitraka sy nitehaka azy ireo i Tyler Perry avy any Hollywood noho ny namerenana ny sasany tamin'ireo sarimihetsika notontosainy. A post shared by Ikorodu bois (@ikorodu_bois) Ankoatra ny fandefasana fonosana fikarakarana momba ny fitaovana fanaovana sarimihetsika matihanina ho an’ny Ikorodu Bois tamin'ny volana Aogositra lasa teo, nanasongadina ny fahaizan'izy ireo mamorona ihany koa ny Netflix nandritra ny Oscars [Césars] tamin'ny Aprily 2021, loka isan-taona ho an'ny indostrian'ny sarimihetsika any Etazonia. Nanome fanantenana ho an'ireo mpamokatra sarimihetsika ho avy sy miasa mafy any Nizeria ny fahombiazan'ny Ikorodu Bois. Raha ny tena izy, dia rehefa afaka manao sarimihetsika misarika ny sain'izao tontolo izao amin'ny alalan’ny fitaovana mora sy ny fahaiza-manao fototra amin'ny fikirakirana ireo tanora ireo, dia azo antoka fa manana vintana ihany koa ireo hafa maniry ny ho mpanao sarimihetsika. Nollywood vaovao sy ny sehatra ankihy Horonantsary efa nisy tamin'ny faramparan'ireo taona 1990 ny Nollywood taloha fantatra amin'ny anarana hoe sarimihetsika Asaba(ny teny hoe Asaba dia avy amin'ny tanàna iray any Nizeria). Lahatsary an-trano ny ankamaroan'ny sarimihetsika Nollywood taloha, toy ny Living in Bondage malaza nataon'i Chris Obi Rapu . Ny New Nollywood, araka ny filazan'ilay mpanao gazety Nizeriana Franklin Ugobude, dia manondro ny onjan-tsarimihetsika amin'izao fotoana izao izay ahitana bebe kokoa ny “fahasarotan'ny fitantarana navoitra, ny hasarobidin'ny hatsarana ary ny kalitaon'ny famokarana ankapobeny”. Mifanohitra tanteraka amin'ny sarimihetsika Nollywood taloha natao “nandritra ny firoboroboan'ny horonan-tsary” tamin'ny taona 1990 ireo sarimihetsika ireo. Toetra manan-danja iray hafa amin'ny New Nollywood ny hoe vitsy kokoa ny sarimihetsika navoaka amin'ny DVD. Fa, “navoaka tamin'ny teathra ho an'ny mpankafy marobe amin'ny alàlan'ny sinema na sehatra fandefasana mivantana” ny ankamaroany, hoy iUgobude. Ny sarimihetsika Nollywood tsara indrindra tamin'ny taona 2021 araka ny filazan’ny Okay Africa dia ny “ Gone ” notontosain’i Daniel Ademinokan, “ Collision Course ” nataon'i Bonlanle Austin Peters, ary “ Swallow ” notontosain’ IKunle Afolayan. Tamin'ny taona 2020, natomboka tany Nizeria ny Netflix ary nampiroborobo ny onjan'ny votoaty vokarin'i Afrika. Nanomboka teo dia nandefa fandaharana amin’ny fahitalavitra sy horonan-tsarimihetsika maromaro tany am-boalohany izy, ny vao haingana indrindra amin’ireo dia ny andiany mizara fito an'i Kemi Adetiba “King of Boys: The Return of the King.” Talohan'ny nanombohany, nandoa vola ho an’ny votoaty Afrikanina mba halefa amin'ny sehatra misy azy ny behemoth streaming. Na dia nitombo aza ny indostrian'ny sarimihetsika any Nizeria, dia mbola nitoetra ny lafiny sasany. Ohatra, niady mafy tao anatin'ny taona maro ireo mpamokatra sarimihetsika Nizeriana mba hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena noho ny fiverimberenan-tantara. Saika mitovy ny firindran-tantara amin’ ireto sarimihetsika roa ireto “ Osuofia in London ” (avy amin'ny Old Nollywood) sy ny “ 10 days in Sun City ” (avy any New Nollywood). Ao amin'ireo sarimihetsika roa ireo, na mponina ambanivohitra na mpiasa tsy nahita fianarana izay nipetraka tany Nizeria nandritra ny androm-piainany ary nahazo fahafahana tampoka handeha any ivelany ireo mpilalao fototra. Na izany aza, rehefa lasa izy ireo, dia miady mafy ny hivezivezy amin'ny tontolo tsy mitovy amin'ny tanindrazany. Amin'ny ankapobeny, ireo sarimihetsika roa ireo dia mitantara ny fifandonana ara-kolontsaina vokatry ny fanatontoloana sy ny fifindra-monina. Ny teboka iray misongadina rehefa mampitaha ny Nollywood Vaovao sy Tranainy dia ny fivoaran'ny kalitao sy ny habetsahan'ny sarimihetsika vokarina any Nizeria ankehitriny. Mivoatra tsikelikely ny fizotry ny rindran-tantara sarimihetsika Nizeriana. Lasa malaza eran-tany ny sarimihetsika Nollywood vaovao toy ny “ Omo Ghetto ,” “ King of Boys ,” “ Wedding Party ,” “ Oloture ,” “ October 1st ,” novokarin'ireo olomangan'ny Nollywood toa an'i Funke Akindele sy Kunle Afolayan . Nitatitra ny Premium Times , famoaham-baovao anjotra isan'andro ao Nizeria, fa nahazo NGN 468 tapitrisa (eo amin'ny 1,1 tapitrisa dolara) tamin'ny fidiram-bolan'ny sinema ny “Omo Ghetto” ary 636 tapitrisa dolara (eo amin'ny 1,5 tapitrisa dolara) tao amin'ny fijerena sarimihetsika. Nilaza ny Film One , iray amin'ireo orinasa lehibe mpaninjara sarimihetsika any Nizeria, fa nahazo 452 tapitrisa NGN (eo amin'ny 1,1 tapitrisa dolara Amerikana) tamin'ny sinema Nizeriana ny “Fetin'ny fampakaram-bady”. Tsy isalasalana fa mbola hisy fiantraikany amin'ny indostrian'ny sarimihetsika ny fanatontoloana sy ny fitomboan’ny fandefasana mivantana anjotra, ary tsy hanivaka amin'izany i Nollywood. Ahoana ny fanjifa ny sarimihetsika Nollywood VCD Nollywood naranty nandritra ny Fetiben'ny Kwakoe tao Amsterdam Bijlmer. Sary avy amin'i Paul Keller , 9 Jolay 2006  ( CC BY 2.0 ) Nampitombo ny tinady manerantany amin'ny tinady ara-kolontsaina Nizeriana ny fahombiazan'i Nollywood, indrindra indrindra fa maro ireo tranonkala fandefasana mivantana mamelona ireo sangan'asa taloha. Noho ny fisian'ny media sosialy, niditra tao anatin'ny kolontsaina pop maoderina ireo meme (sary-sy-soratra) avy amin'ny sarimihetsika toy ny hatsikana nataon'i Tchidi Chikere tamin'ny taona 2014, “ Pretty Liars ”. Tsy lazaina intsony ireo horonantsary sy sary malaza misy ireo mpilalao sarimihetsika efa ela be tahaka an'i Aki (teraka amin'ny anarana hoe Chinedu Ikezie ) sy Pawpaw (teraka amin'ny anarana hoe Osita Iheme ), izay nahaliana ny vahiny . Niditra tao amin'ny tsena iraisam-pirenena ihany koa ny Nollywood tamin'ny fampidirana ireo mpilalao sarimihetsika iraisampirenena tamin'ny tetikasany mba hahazoana vahana kokoa. “ Half of a Yellow Sun ,” notarihin'i Biyi Bandele, ary miantsehatra amin'izany ry Thandie Newton, Anika Noni Rose, Chiwetel Ejiofor, ary Ini Dima Okojie, nahitana mpilalao iraisampirenena toa an'i Eric Anderson, Paul Hampshir, ary Roberto Davide. Ohatra iray hafa misongadina ny “ Namaste Wahala” an'i Ruslaan Mumtaz izay nahitana ilay olo-malazan'i Bollywood Ruslaan Mumtaz. Nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fitondrana ny Nollywood teo amin'ny mpihaino vaovao ihany koa ny fetiben'ny sarimihetsika. Sarimihetsika maromaro no efa nalefa tamin'ny fetibe isan-karazany manerana izao tontolo izao, nahazo mari-pankasitrahana marobe tamin'izany. Tamin'ny Septambra 2019, nahazo ny Best Virtual Reality Story nandritra ny Fetiben'ny Sarimihetsika Iraisampirenena Venezia ny sarimihetsika “ Daughters of Chibok ” an'i Joel Kachi Benson . Toy izany koa, tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Locarno, nahazo ny loka Boccalino d'Oro ho an'ny sarimihetsika tsara indrindra ny “ Juju Stories ” an'ny Surreal16 Collective. Hatramin'ny nivoahany ampahibemaso voalohany, nahazo loka isan-karazany ny “ Eyimofe ,” sarimihetsika avy amin'ny Guardian Digital Studios (GDN), ka anisan'izany ny Loka Achille Valdata tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Iraisampirenena Torino 2020. Nanokana fizarana ho an'ny sinema Nizeriana, mampiseho ny rafitra, ny fitaovana ary ny olona ao ambadiky ny sarimihetsika manan-danja indrindra ao amin'ny firenena ny fetiben'ny sarimihetsika sasany. Nivelatra hatrany ivelan'ny firenena ny famokarana sarimihetsika any Nizeria ary efa miompana maneran-tany. Nanery ny elanelana misy eo amin'ny Nollywood, media sosialy, ary ireo indostrian'ny sarimihetsika hafa manerana izao tontolo izao ry Ikorodu Bois sy ireo taranaka vaovao marobe mpamokatra sarimihetsika.
https://mg.globalvoices.org/2022/07/15/158856/
Fidirana ao amin'ny angon-drakitry ny “Unfreedom Monitor”
2022-07-15T04:08:55
Unknown
Image courtesy Ivan Sigal. Fisantaran'andraikitra Advox ny Unfreedom Monitor handalinana ny fahatakarantsika ny fifandraisan'ny teknolojia sy ny fahefana tsy refesi-mandidy. Tamin'ny dingana voalohany amin'ity tetikasa ity, dia nitondra famakafakana ireo trangan-javatra, fomba fitantarana, ary zavatry ny fampitam-baovao, mba hanazavana ny asan'ny tsirefesimandidy ankihy sy ny lahateny manodidina azy ireo ny mpikaroka miasa any amin'ny firenena miisa 11 ary lohahevitra manan-danja efatra no itondrana izany. Nampiarahana sy nanohanana gazety fampahafantarana [pdf], fandalinana tranga araka ny firenena sy lohahevitra ary andiam-pitantarana ity fikarohana ity. Mifototra amin'ny fomba fiasan'ny Civic Media Observatory ao amin'ny Global Voices ny famakafakana.  Fantarina sy zohian'ny mpikarotra ireo lohahevitra fototra sy lasitra fitantarana mipoitra manodidina ny hetsika, ny fironana ary ny tranga hafa. Ka mampiasa fomba famakafakana mitovy amin'ireo firenena rehetra sy ny tokotanin-tsehatra araka ny lohahevitra ireo mpikaroka ahafahany mitondra herim-pampitahana amin'ny asany. Misorata anaraha hahazoana ny Undertones , ny taratasim-baovaon'ny Civic Media Observatory Ravoravo ankehitriny ny Advox mizara ny angon-drakitra izay manohana ity fikarohana momba ny teknolojia sy ny tsirefesimandidy ity. Abaribarin'ny angon-drakitra ny fifandrohizana eo amin'ny teknolojian'ny fanaraha-maso ampiasaina hanamafisana ny fitondrana tsirefesi-mandidy sy ny filazana fa misintona sy manodikodina ny hevitra sy ny fihetsiky ny mponina ny governemanta. Ampiantranoana ao amin'ny Airtable ny angon-drakitra ary manolotra varavarana maro ho an'ny mpamaky liana sy ireo mpikaroka liana amin'ny fisavasavana ny fifandraisana ao anatin'ireo angona ireo. Tsindrio eto raha te-hahita antsipiriany amin'ny fomba itetezana ireo angon-drakitra. Ahanjahanjan'ny angon-drakitra ny fifandraisana misy eo amin'ireo trangan-javatra, sombim-pampitam-baovao, fitaovan'ny haino-vaky-jery, fomba fitantarana, lohahevitra, teknolojian'ny fanaraha-maso, olona sy vondron'olona mitovy fahalianana ary toerana. Ohatra, amin'ny fisavasavana ny fiantraikan'ny lasitra fitantarana iray, azon'ny ny mpamaky ny mitendry mba hijerena hoe iza no olona/vondron'olona mitovy fijery amin'io lasitra io ary avy eo dia manohy mijery izay fitantarana hafa nambarany. Azo atao ny mijery raha azo ampiharina amin'ny firenena mihoatra ny iray ny lasitra fitantarana, ary, raha izany, inona avy ireo singam-pampitàna maneho izany. Natao teo anelanelan'ny Janoary sy Marsa 2022 ity dingam-pikarohana Unfreedom Monitor ity. Noraketinay ny zava-nitranga momba ny fampiasana teknolojia entina mifehy na manimba ny zo any Brezila, Ekoadaoro, Ejipta, India, Maraoka, Myanmar, Rosia, Sodàna, Tanzania, Torkia, ary Zimbaboe. Nosavasavanay ihany koa ireo lohahevitra efatra mifampidimpiditra: fitantanana angon-drakitra, kabary, fidirana ary torohay. Natomboka tamin'ny Jona 2022 ny dingana faharoa izay nampiana firenena vaovao: Ekoadaoro, Tanzania, Venezoelà, El Salvador ary Hongria. Hasianay fanavaozana ny angon-drakitra ho an'ny daholobe mandritra ny fotoana anaovana ny fikarohana. Miangavy misorata anarana hahazoana ny taratasim-baovaonay, [Ity herinandro ity ato amin'ny Advox] . Miangavy tsidiho ny pejin'ny tetikasa hahitana sombin-dahatsoratra bebe kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor .
https://mg.globalvoices.org/2022/07/12/158772/
Undertones : Misy famitahana ve tanatin'ireo fitantarana ny fanilihana mpanjanaka tao Mali?
2022-07-12T12:59:20
Unknown
Sary nataon'ny Global Voices ho fanaingoana. [Raha tsy asiana fanamarihana dia mitondra mankany amin'ny pejy amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra] Ity lahasoratra ity dia ampahany amin'ny Undertones, taratasim-baovao an'ny Civic Media Observatory (fanarahamaso ny media sivily) ato amin'ny Global Voices. Raha te-hahafantatra misimisy kokoa momba ny iraka tontosainay , ny fomba firosonay ary ireo angondrakitra azo idirana , misorata anarana amin'ny Undertones . Miaina ny adin'ny fampahalalambaovao i Mali, ady mametraka ireo fitantaràna manohitra ny fanjanahana ho eny amin'ny loha-laharana. Ny fitondran'ny tafika ao an-toerana – izay nanongotra an'i Ibrahim Boubacar Keïta tamin'ny 2020, ilay filoha niha-nangidy hoditra tamin'ny vahoaka – dia manilika ny ratsy rehetra tao Mali ho any amin'ilay hery nanjanaka azy fahiny, i Frantsa. Eny anelanelany eny, nahazo tanjaka any anatin'ireo fitantaràna sy eo amin'ny firenena ireo Rosiàna mpikarama an'ady . Vao andian-taranaka roa monja no niaina ny tantaram-panjanahana tao Mali. Tamin'ny 1960, nahazo ny fahaleovantenany tamin'i Frantsa i Mali, izay naka ny fifehezana ny faritra tany amin'ny faran'ny taonjato faha-19, nandritra ny nolazaina hoe « firohotana ho any Afrika » [fr] nataon'i Eorôpa. Nandritra ireo taonjato teo aloha dia tao anatin'ireo ampira telo goavana mpanankarena ao Afrika Andrefana i Mali, izay nifehy ny fifampiraharahàna ara-barotra namakivaky an'i Saharà tamin'ny resaka varotra volamena, sira ary vokatra hafa fampiasa andavanandro . Ankehitriny, i Mali no iray amin'ireo voalohany mpamokatra volamena ao Afrika . Tamin'i 2013 i Frantsa no niditra tao an-toerana noho ny fangatahan'i Bamako, renivohitra, fony Mali nandalo andianm-korontana pôlitika sy fandrahonan'ireo mpampihorohoro . Nandritra ny taona marobe, nifandrotehan'ireo vondrona mpihoko isankarazany ny faritra avaratr'i Mali . Fotoana fohy taorian'ny nahatongavan-dry zareo, vitan'ireo miaramila frantsay ny naka indray ireo tanàna telo teo an-tànan'ireo mpanao an-tendrony ary, tamin'ny Febroary 2013, nitsidika an'i Mali ny filoha frantsay, François Hollande, izay noraisina toy ny fandray mahery fo. Na tsy azo ahilika aza ny hoe antony nanosika an'i Frantsa ny fiarovany ny tombontsoany any amin'ireo fitrandrahana harena ankibon'ny tany sy ny nokleary ao amin'ilay faritra, ho an'ireo marobe mpanaramaso [fr], tena nanampy tokoa tamin'ny fakàna indray ireo faritany teo an-tanan'ireo vondrona mpihoko ny tafika frantsay, na dia tsy tonga tamin'ny tena fandresena tanteraka aza. Ankehitriny , marobe ireo zazalahy maliàna no mitondra anarana hoe François ho fanomezana voninahitra ilay filoha frantsay taloha, François Hollande, araka ireo loharano sasantsasany. Na izany aza, ny governemata miaramila mpisolo toerana dia manamafy fa i Frantsa dia niray tsikombaomba tamin'ireo vondrona mpihoko, izay nitondra tamin'ny fihitaran'izy ireny. Mety hiharan'ny fampijaliana ara-batana ireo mpanao politika, ny mpanao gazety ary ireo mpikatroka manana hevitra manohitra. Teo anelanelan'ny 2021 sy 2022, very toerana 12 i Mali [fr] tao anatin'ny fandaharana momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety nataon'ny MpitatiBaovao Tsy Voafetran-tSisintany (RSF). Noho ny fihenjanan'ny toerana raisin'ny fitondrana miaramila, « mihamaro ireo “fomba fitondra noho ny fitiavan-tanindrazana” atao amin'ny vaovao», hoy ny RSF. Marobe ireo mpanao gazety nanjavona sy « mararin'ny tahotra ». Sarotra be ny mamantatra ireo hery maro rantsana miafina ambadik'ireo tetikady fandemena . Nolavin'ny fitondrana miaramila ny hampiantso fifidianana tamin'ny fiandohan'ny 2021 ary nambarany ny fisian'ny tetezamita mandritra ny dimy taona, nifandona araka izany tamin'ny Communauté économique des États de l'Afrique de l'Ouest (CEDEAO) – fiombonambe ara-toekaren'ireo firenena ao Afrika Andrefana- , izay nametraka ankivy ara-toekarena amin'i Mali. Tsy ankatoavin'i Frantsa ilay fitondrana miaramila ary ny Maliàna sasany indray nanao fihetsiketsehana nanoherana ny fisian'ireo miaramila frantsay , indrindra fa tao Bamako. Tamin'ny Febroary 2022, nangatahana handao ny firenena ireo andian-tafika frantsay, tao anatin'ireo fitantaràna mivaivay manohitra ny mpanjanaka. Tamin'ny May, notapahan'ireo manampahefana maliàna ny fifandraisana ara-tafika tamin'i Frantsa. Any amin'ireo faritra ambanivohitra ao avaratra, izay somary tany lavitra andriana, toa an'i Ménaka, atahoran'ny [fr] mponina ny hoe hamela banga hanjakan'ny djihadista ny fialàn'ireo Frantsay. Ho an'ireo Maliàna mpikaroka, ny fanantitranterana be nataon'ny governemanta tamin'ny fisian'i Frantsa, fa tsy ny demaokrasia mikororosy fahana ao amin'ny firenena, “dia fitapitaky ny resabe fanilihana mpanjanaka». Tao amin'ny Facebook, ary nanoloana ireo mpanjohy efa an'aliny maro, ilay mpikatroka, Kemi Seba , dia nitondra ny fanohanany an'ireo manampahefana maliàna tamin'ny fanapahankevitr'izy ireo handroaka an'i Joël Meyer masoivohon'i Frantsa, tamin'ny fanamafisana fa “imperialista izy iny, mpankahala mainty hoditra ary mpomba ny mpanao fampihorohoroana ». Antsoiny ihany koa ireo firenena hafa mba hanaraka ny dian'i Mali . Ho an'ireo mpikaroka eto amintsika, io lahatsary io dia voakilasy ho « -1 » ao anatin'ny fàfana fanjohiana ny fiantraika eny amin'ny olompirenena, navoakan'ny Observatoire, satria izy no itarafana ny fahatsapana midadasika eny anivon'ny vahoaka, saingy manala baràka ilay masoivoho frantsay ihany koa. Ing. Seba dia mikolokolo fifandraisana akaiky amin'ireo manampahefana maliàna sy rosiàna. Ing. Seba dia nihaona imasom-bahoaka tamin'ny lehiben'ireo tafika mpanongam-panjakana, ny kôlônely Assimi Goïta, tamin'ny May lasa teo ary nandeha nivahiny tany [fr] Maosko mba hihaona tamin'ireo manamhefana rosiàna, fotoana fohy taorian'ny nipoahan'ny ady tao Okraina. Vakio ato ny famakafakàna feno [fr]. KEMI SEBA: « TAKIAN'I MALI 🇲🇱 NY FIALAN'NY MASOIVOHO FRANTSAY 🇫🇷 JOEL MEYER. ANDRIAMANITRA ANIE HITAHY AN'I MALI. » Mbola tao amin'ny Facebook ihany, ilay pejy mpomba ny fitondrana miaramila « Farafina Authorite Krymo » no nizara ilay vaovao tsy voamarina hoe voasambotry ny tafika maliàna ny iray tamin'ireo mpitarika ambony ao amin'ny djihadista, Amadou Koufa . Ny fahasamborana azy, na ny fahafatesany, dia efa nambara fahatany ihany koa tany aloha tany , ary efa mahazatra izany raha momba ireo mpitarika ny djihadista. Namafy vaovao diso ilay lahatsoratra mba hampiroboroboana ny fitondrana miaramila , izay ny lazany dia miankina amin'ny fandresena manoloana ireo vondrona mpanao fampihorohoroana sy mpisintaka. Vakio ato ny fanadihadiana feno. Araka ny loharanom-baovao maro, voasambotry ny miaramila maliàna tao amin'ny tanàna iray ao amin'ny faritr'i Mopti i Amadou Kouffa [sic] (Mbola mila hamarinina) Tao amin'ny Twitter, ny olona iray nilaza tena ho miaramila maliàna fahiny dia niampanga ny tafika frantsay, miaraka amina sary sy tarehimarika, ho namono sivily maro ary nandevina azy ireny anaty fasana itambarambe, talohan'ny nandaozan'izy ireo ny tobiny tao Gossi. An-jatony mahery ireo olona naneho hevitra tamin'ilay bitsika, marobe no niampanga ny « Groupe Wagner » misy ireo Rosiàna mpikarama an'ady ho nikononkonona ilay fandripahana. Hatreo, nofafàna ilay kaonty. Nokilasiana ho faha “-3″ io teboka io, ny isa farany ambany indrindra fanomen'ny Observatoire ho an'ny fanelezana vaovao diso manana lanja mavesatra eny anivon'ny daholobe. Ato ny fandalinana feno . Ny Groupe Wagner [fr] dia, araka ireo famaritana samihafa, vondrona rosiàna iray tsy miankina ary tsy ara-panjakana ahitàna mpikarama an'ady, mpiambina sivily na ivelan'ny tafika, mifandray amin'ireo manampahefana rosiàna, nahazo ny lazany iraisampirenena tao Okraina tamin'ny 2014. Tao Afrika, ny hetsika nahatafiditra azy ireo dia ny tao Libia [fr], ny Repoblika Afrika-Afovoany ary Mali, izay toa hoe nanofana ny tafika maliàna ireo miaramilany no sady nampiely araka izany ny dindon'i Rosia tao amin'ny faritra. Ny G roupe Wagner dia toa hoe voarohirohy tamina fanitsakitsahana zon'olombelona marobe, indrindra fa ilay vonomoka vao haingana tao Moura , vohitra iray ao afovoan'i Mali. Ny dindo tsy mitsaha-mitombo ananan'i Rosia ao amin'ny faritra dia nanampy tamin'ny fanimbàna nisinisy kokoa ny fifandraisan'i Frantsa tamin'i Mali. Ny ampitson'ilay bitsika malaza niampangàna an'i Frantsa ho nanao ny vonomoka tao Gossi, dia namaly bontana ny miaramila frantsay tamin'ny fizaràna ireo sary avy amin'ny fanarahamaso ny toby famaharana tao Gossi. Nizara sary marobe ny mpanao gazety iray avy amin'ny France24, toa hoe mampiseho ireo Rosiàna mpikarama an'ady eo am-pandevenana razana. Ny resaka tsy loabody dia hoe namono olona ireo olon'ny Groupe Wagner – izay angamba sivily – ary miezaka ny manilika izany ho andraikitry ny tafika frantsay. Ny ankamaroan'ireo mpaneho hevitra dia manamafy fa i Frantsa dia nanely sary diso. Jereo ato ny fandalinana feno. Ao anatin'izany fitantaràna mifanipaka izany, ny feo sasantsasany avy amin'ny mpanohitra dia manakiana ny fitondrana miaramila maliàna. Indrindra indrindra , manana andraikitra goavana be ireo mpitarika fivavahana mba hanefy ny fomba fijerin'ny vahoka. Tamin'ny Martsa 2022, ny imam Mahmoud Dicko dia nanakiana mafy dia mafy ny fitondrana miaramila – na tsy notononiny mivantana aza – tamin'ny fanambaràna fa «nanapaka hevitra izy hivoaka amin'ny fahanginany, satria olona mpamadika sy tsy marina no mitantana ny firenena». Tany aloha tany ny imam Dicko dia nijoro nanohitra ireo fitondrana demaokratika izay niongana taty aoriana. Ilay lahatsarin'ny imam Dicko dia nozarain'i Diawoye Diaby, Maliàna iray mpamoaka lahatsary maro sy vaovao avy amin'ireo mpampahalala vaovao hafa. Efa nahazoany jery mihoatra ny iray tapitrisa ary fanehoankevitra mihoatra ny 4.000 . Ao anatin'ny fàfana fanarahanay maso, io teboka io dia voakilasy ho “+1″ satria nandray anjara tamin'ny fanatsaràna ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ny habaky ny fifanakalozana hevitra. Vakio ato ny fandalinana feno.
https://mg.globalvoices.org/2022/07/05/158618/
Nizerià : tantaran'ny mozika ao Lagos, ny vanimpotoanan'ny fanjanahantany hatramin'ireo taona 1970
2022-07-05T04:52:37
Unknown
Dika mitovy amin'ilay sarontavan'i Mpanjakavavy reniny Edo tao Nizerià : Iyoba, noforonina tamin'ny taonjato faha-16. ilay sarontava dia nofidiana ho famantarana ny FESTAC 77, Fetibe faharoa manerantany tao Lagos natao ho an'ny zavakanto sy ny kolontsaina mainty hoditra ary afrikàna, tamin'ny 1977. Sary nomena ho an'ny Wikimedia Commons ho ampahany amin'ny tetikasa iray an'ny Metropolitan Museum of Art . ( CC0 1.0 ) Naotin'ny mpamoaka lahatsoratra: Navoaka voalohany tao amin'ny Yaba Left , naverina navoaka ity lahatsoratra ity rehefa nahazoana alàlana. Hatry ny elabe ny tanànan'i Lagos no efa renivohitra ara-kolontsaina  tao Nizerià . Raha jerena amin'ny toerana misy azy manakaiky ny ranomasina, sy ny toerana maha-foiben'ny fahefana ara-politika azy nandritra sy taorian'ny vanimpotoana fanjanahantany, fotoana fotsiny no nandrasana mba hiantombohan'ny fikisahan'ilay tanàna hahatratrarany ny tena zavamisy iainany ankehitriny ho lasa tanàna ahitàna karazan'olona maro, fisainana sy kolontsaina tsy mitsahatra ny mifandona. Vitsy, na “kabary tsara lahatra” fotsiny ireo fitantaràna ny endrika mozika talohan'ny fanjanahantany . Lasa toy ny hoe ny fifanakalozana nifanaovan'ireo tantsambo tandrefana sy ireo razambentsika fotsiny no hany tosaka fampahafantarana nikoriana, nahafahan'ireo zavamaneno toy ny gitara sy ny kipantsona niditra tao anatin'ny mozikantsika sy ny kolontsantsika manokana. Mijanona ho tsizarizary ny fahafantarantsika ny fototra niavian'io kolontsain'ny mozika io, satria tsy mitsahatra ny miova, ary ireny fiovàna ireny dia mifamatotra betsaka amin'ny fahantongavan'ny teknôlôjia. Mbola misy mandraka ankehitriny ireo endrika mozika mpisava làlana, toy ny sakara , ny asiko , ny apala ary ny agidigbo , lalaovin'ireo mpiangaly mozika efa zokiolona sy miha-antitra izay mazàna mampita azy ireny amin'ny taranany mandimby azy. Kanefa, nohalalinina be sy noraketina anaty antontan-kevitra ny mozika highlife sy juju , satria nahatratra ny faratampony tamin'ny laza tao anaty vanimpotoana iray nanan-danja tamin'ny tantara talohan'ny fanjanahantany, fotoana iray nisian'ny fanantenana tsy nanam-petra, ary noho izy teo am-baravaran'ny teknôlôjia ihany koa. Toeram-pilanonana andro alina (nightclubs) ao Lagos efa tany amin'ny andron'ny fanjanahantany Tanànan'ireo andevo noafahana, matetika niaraka tamina anarana pôrtiogey sy nandàla ny finoana kristianina, ary nody avy any Brezila ho ao Afrika ny faritr'i Campos, ao anatin'i Lagos, ilay tanàna ara-toekarena sy kolontsaina ao Nizerià. Ankehitriny, toerana maresaka sy fanaovana raharaham-barotra ilay faritra, ary ny tena fivezivezena indrindra. Loraharon-tsary : Carsten ten Brink , 11 novambra 2018, ( CC BY-NC-ND 2.0 ). Tany amin'ny fiafaran'ireo taona 1940, fony mbola tena nanjaka be ny fanjanahantany tao Lagos, dia tsy mena-mitaha tamin'ireo tanàna eorôpeàna i Lagos izay niroboroboan'ireo fiainana anatin'ny alina. Ny fifaneraseran'ireo teratany sy ireo fotsy hoditra dia niafara tamin'ny fanekena ny kolontsain'ireto farany. Nakotrokotroka ireo toerana filanonana amin'ny alina tao Lagos ary mariky ny fahazoana tombony ho an'ireo mpisehatra isankarazany tao anatn'nay fahamaroam-piainana nisy tao aminy (mpiangaly mozika, tarika isankarazany, mpikarakara seho an-tsehatra, mpivarotra sakafo, mpanely zavamahadomelina) izay niantoka ny fampihodinana tsara azy. Bobby Benson (11 aprily 1922 – 14 may 1983) dia Nizeriàna artista no sady mpiangaly mozika. Loharanon-tsary : Aymatth2 via Wikimedia Commons Marobe ireo fijoroana vavolombelona mahatsiahy ny Caban Bamboo , toerana filanonana amin'ny alina an'i Bobby Benson , mpandraharaha ara-kolontsaina navitrika no sady mpamokatra ( impresario) tamin'ny fotoan'androny. Nitarika andiana mpanao teatra izy sy ny vadiny, izay natao ho fialamboly rehefa amin'ny alina. Noforoniny koa ny Jazz Orchestra Band , izay taty aoriana dia lasa vimiaina no sady nanome ny fiahiany ho an'ireo goavana indrindra mpiangaly mozika highlife tao Nizerià. Tamin'izany fotoana izany, ny danse de salon no tena nolalaovin'ilay tarika ho an'ireo vato nasondrotry ny tany nanjifa azy: ny fox-trot, cha-cha ary swing. Nilalao mozika avy eo an-toerana ihany koa ry zareo. Tamin'ny taona 1950, tonga tao Nizerià ny onjana feo vaovao rehefa avy namakivaky an'i Ghana. Nisy ny fitetezam-paritra voatonona matetika natao tamin'ny ilany andrefan'i Afrika, nokarakarain'i E.T Mensah , ghaneàna mpitsoka trompetra, sy ny Tempos Band nisy azy, izay nampiseho tamin'ireo Nizeriàna ny mety ho fahafahan-dry zareo hilalao ireo gadona afrikàna manainga fanahy miaraka amin'ireo zavamaneno tandrefana. Misy ihany koa fitantarana ny dia nataon'i Bobby Benson sy ny tarika nisy azy tany Ghana mba hanao kaonseritra tany. Ny niandohan'ny anarana hoe « highlife » avy ao Ghana dia manondro fa tao ilay karazana mozika no naka toerana voalohany. Ny zavatra tsaroana tamin'io vanimpotoana io dia arakaraky ny nirosoan'i Nizerià ho amin'ny fahaleovantenany, niha-nalaza ny mozika highlife . Tamin'ny ankapobeny ireo toerana filanonana amin'ny andro alina sy ny toerana fandraisambahiny dia nanana tarika efa nipetraka teo an-toerana nilalao amin'ny ankamaroan'ny alina sy nandritra ny herinandro ary rehefa Sabotsy hariva. Nanana ny lanjany  manokana ny Zoma faran'ny volana. Niankanjo ny fitafin-dry zareo mahafinaritra ireo mpitendry mozika iray tarika ary nilalao mozika ho an'ireo toerana nalaza tao an-tanàna, isan'ireny ny Caban Bamboo an'i Bobby Benson, ny Gondola Bar (izay mbola ao hatramin'izao, na dia niova aza ny anarany sy ny tompony) ary ny Ambassador Hotel, ireto roa farany izay samy ao Yaba ary Libaney iray no tompony. Maro tamin'ireny toerana sy efitrano fanaovana kaonseritra ireny no efa tsy hita intsony ankehitriny, lasa toeram-ponenana na fiangonana. Toerana fanaovana dihy sy mozika ary fampiarahana ireny efitrano toy ny lozoka ireny tamin'izany. Nanana ny lazany teny imason'ireo vehivavy ny mpitendry mozika highlife , ny vehivavy rahateo no tena nitàna toerana sarobidy tao anatin'io karazana gadon-kira io, indrindra fa ho an'ireo mpitendry mozika. Namelovelo tany amin'ny ati-fanahy tany ireo hira toy ny « Sawale » an'i Rex Lawson , gadon-kira mahatsikaiky nampiasa ny teny mahazatra hoe « waka waka baby » hanondroana ireo mpampanofa vatana tamin'izany fotoana izany. Taompolo marobe taty aoriana, naverin'i Flavour N'bania noraisina io fomba filaza io tao anatin'ilay hirany mihetsiketsika malaza hoe « Nwa Baby (Ashawo Remix) » . 1960s, taona volamena Tsaroana am-pitiavana ny andian-taona 1960 ho vanimpotoanan'ny fahaleovantena sy ny fanantenana mifikitra amin'ny tanindrazana, ny mozika hghlife, ny dihy malaza tamin'izany fotoana izany, nanakona ny calypso, ny “danses de salon”, ny “swing” sy ny “cha-cha”, lasa feonkira famantarana ilay vanimpotoana mihitsy. Fonon'ny rakikiran'i Roy Chicago (1931-1989) “Highlife Series” Nanerana an'i Nizerià, nisy ireo trano fandraisambahiny sy toerana filanonana amin'ny alina nilalaovana mozika hatramin'ny alimbe. Nandravarava mihitsy ireo mpitarika orkestra nahababo ny fo, nanana anarana tarika somary nanahirana. Roy Chicago (anarany teo am-pahaterahana ny hoe John Akintola Ademuwagun) sy ny Rythm Dandies. Victor Olaiya ary ny Cool Cats. Fela Ransome-Kuti sy ny Koola Lobitos. Rex Lawson sy ny His Mayor’s Band . Chris Ajilo sy ny Cubanos. Indrisy anefa, nandalo fotsiny ihany izany fanantenana izany. Latsaka tanaty korontana ilay repoblika vaovao vao niforona, nitondra nankany amin'ny ady an-trano nahafatesana olona maro sy fifindramonina an-tapitrisa. Ny rakikira ‘Papingo Davalaya’ an'i Victor Olaiya (1930-2020), nivoaka tamin'ny 1986 tao amin'ny Premier Records. Avy hatrany taorian'ilay ady an-trano tao Biafra, nanomboka ny fahaverezan-dazan'ny mozika highlife . Marobe tamin'ireny mpitendry mozika ireny no avy amin'ny faritra atsinanan'ny firenena ary ny ady no nanilika azy ireny tsy araka ny sitrapony hiala an'i Nizerià hankany amin'ny faritany Biafrana, izay nanambara samirery ny fisarahany tamin'i Nizerià tamin'ny 1967 hatramin'ny 1970. Voamarika ihany koa ny fipongaran'ny mozika saoul sy funk amerikàna, ary hatramin'ny fiasàna loha tsy nitsaha-nitombo momba ny fandriampahalemana izay vato misakana ny kolontsain'ny fivoahana alina. Taorian'ilay ady an-trano, nitolona ny mbola mba hisongadina ihany ny highlife . Niha-nahazo laza tany atsimo-andrefan'i Nizerià ny mozika jùjú, endrika hafan'ny highlife « Palm-wine » . Nivondronan'ireo mpitendry gitara vitsivitsy, ary nanome taridalana manandanja ho an'ny firindran'ireo mpikambana tao amin-dry zareo, vetivety foana ity karazana mozika ity dia lasa nalaza be teny anivon'ireo Yoruba nasondrotry ny tany sy tia mifety . Tsy misy idiran'ny fihisatry ny juju nameno ny banga navelan'ny mozika apala (gadon-kira efa hatrany amin'ny taona 1930s, niforona nanodidina ny vely amponga, ary avy any amin'ny vahoaka Yoruba ao atsimo-andrefan'i Nizerià), tsy dia heno loatra ny fiantraikan'ireo mpanakanto kalaza toy ilay jamba mpitendry zavamaneno Kokoro (teraka Omoba Benjamin Aderounmu), Tunde King , Avinde Bakare , Ojoge Daniels , JO Araba , ary IK Dairo mandra-pahatongan'ny fanjakan'ireo roa mpiaraka : Chief Commander Ebenezer Obey sy King Sunny Ade. Ny fahaterahan'ny Panafrikanisma indray tamin'ny 1970s Marobe ireo fifangaroana toy ny Afro-rock , ny Afro-soul sy ny Afro-funk izay nalaza ihany koa teny anivon'ireo tanora kokoa. Ny firoboroboan'ny resaka solika tao Nizerià no namaritra ny taona 1970s, ary ny firenena izay vao avy nizaka dona henjana taorian'ilay ady an-trano naharitra efa ho telo taona, dia nampiseho fijoroana / faharetana tao anatin'ireo ezaka nataony hakàna fipetraka feno hafaliana, sy handeha hiroso hatrany. Tamin'ny 1977, i Nizerià no nandray ny andiany faharoa tamin'ny Fetibe Erantany ho an'ny Zavakanto sy ny Kolontsaina Mainty sy Afrikàna ( FESTAC ). Tao Lagos araka izany no ambohipihaonan'ireo mpankanto mpamorona malaza erantany, isan'ireny ry Stevie Wonder sy James Brown. “Alahelo Ranomaso ary Rà ” an'i Fela Anikulapo-Kuti Fela Anikulapo-Kuti, izay tany am-boalohany tao anatin'ny kaomitin'ny FESTAC, dia nanao ankivy ny fandaharampotoana . Nefa ny Afrika Shrine, toeram-pilanonana amin'ny alina izay izy no tompony, dia lasa toerana tsy azo nolalovam-potsiny ho an'ireo mpitendry mozika avy amin'izao tontolo izao izay ny FESTAC no niantoka ny fahatogavan-dry zareo tao Lagos. Lasa tsy azo nialàna teny an-dalamben'i Lagos ny Afrobeat , gadona filalaon'i Fela Kuti, na teo aza ireo tonony mirehidrehitra izay mampifanolana azy amin'ny saranga pôlitika. Ny Afrika Shrine (« Sanctuaire Afrika ») izay azy, sady toeram-pilanonana amin'ny alina no nirvana ara-panahy ho an'ny Panafrikanisma, no nanampy tontolo iray tokamiavaka tamin'ny fiainan'ny alina tao Lagos niaraka tamina rafi-piainana misy ireo mpiravotra sakafo, ny mpaninjara zavamahadomelina, ary ny ireo mpivarobarotra isankarazany. Ry Lijadu Sisters (Taiwo sy Kehinde Lijadu) tao amin'ny National Stadium, ao Lagos, Nizerià (1970). Sary: Pade Aladi tao amin'ny pejy Facebook an'ny vondrona “The Lijadu Sisters “ Andrana navitrika tamin'ny fampivadiana ny feo sy ny mozikan'ireo mpitendry toa an-dry Fela Kuti, Segun Bucknor, sy ry Lijadu Sisters no nanamarika ny taona 70s. Ny gadona nolalaovin-dry Lijadu Sisters , mpirahavavy kambana tsy misy anavahana azy, dia fifangaroan'ny jazz, reggae sy ilay gadona waka tena nentindrazana ilalaovana fomba fihira misy antso sy valiny. Be mpitia ny mozikan-dry zareo ary vetivety ry zareo dia lasa mpisava làlana ho an'ireo vehivavy mpitendry mozika izay nanozongozona ny fitsaratsaram-poana tamin'izany fotoana izany. Mazàna ireo mpiangaly mozika no noheverina ho olona mpidonanam-poana ary ireny fitsaratsaram-poana manavakavaka ireny dia nandratra manokana ireo vehivavy. Nipoitra avy amin'ny fomba fitantara manjavozavon'ny fanjanahantany, tonga naka ny toerany tany afovoan'ny taonjato faha-20 tany ny mozika nizeriàna, namiratra tao anatin'ny tsy fiankinandohany, ary nifàka mafy tao anatin'ny fahaterahana indrain'ny panafrikanisma tamin'ny taona 1970s. Io fiofoana io dia notorontoronina, tonga tamin'ny fotoany ary tontosa antsakany sy andavany tao Lagos, renivohitra ara-kolontsain'i Nizerià Vakio ato ny andiany faharoa amin'ity lahatsoratra ity (Angl ).
https://mg.globalvoices.org/2022/07/05/158509/
Mpirahalahy roa samihafa no nampiofo ny hira highlife Nizeriana
2022-07-05T14:09:57
Unknown
Seho mozika mivantana Afropolitan vibes tao amin'ny Kianjan'ny Fahalalahana, Lagos, Nizeria. Sary avy amin'i Kaustavp, tao amin'ny Wikimedia Commons , 16 Mey 2014 ( CC-BY-SA-4.0 ) Tarika roa samy hafa, samy noforonin'ny mpirahalahy roa, no mitazona ny mozika highlife any Nizeria ho velona. Na dia samy manana gadona mampiavaka azy aza ny Umu Obiligbo sy ny Cavemen dia efa niantehitra tamin’ny ezaka fitarihan-dàlana avy amin’ny Flavour sy Phyno ireo tarika roa ireo, tamin'ny alàlan’ny fampifanarahana ny mozikany amin'ny zavatra ankafizin’ny Nizeriana tamin'ny taonjato faha-21. Umu Obiligbo: mbola manan-danja ny fahiny Fonon'ny rakikira “I Pray” , Umu Obiligbo Mpitendry mozika Igbo highlife avy any Anambra izay nanjary nalaza tamin'ny taona 2014 ry Obiligbo mirahalahy, Chukwuebuka Akunwafor sy Ifeanyichukwu Okpuozor, malaza amin'ny anarana hoe Umu Obiligbo . Na dia nampifangaro tamin’ny fomba miharihary ny highlife sy ny hip-hop aza ny Phyno dia nitazona ny gadona Igbo highlife ôrizinaly tamin'ny zavakantony ny Umu Obiligbo. Mampiavaka azy ireo ny tsy fanarahana ny fironana maoderina amin’ny fanambàrana ny highlife amin'ny pop tahaka ny ataon'i Phyno. Fa manasongadina ny fahendrena eny an-dalambe kosa ny hiran'izy ireo. Mihira highlife amin'ny endriny Igbo ôrizinaly ry Umu Obiligbo. Tamin'ny fampandraisana anjara ireo mpanakanto malaza no nanintonan’izy ireo olona maro. Nanasongadina ireo mpitendry mozika Afropop toa an'i Davido izy ireo tamin'ny hira sasany, toy ny “Doubting Thomas.” Ity hira ity dia maneho taratra ny fisehosehoana miharihary amin'ny harena any amin'ny toeram-pandihizana, tarihin’ny faniriana hampiaiky volana ny hafa. Oga doubting Thomas/ (E ye weh weh weh)/ We je kwo onye nganga/ (Swo)/ Brother e kwe nu go na o na eme/ Swo swo/ Ah eh/ Oga doubting Thomas, Oga doubting Thomas eoo/(Weh weh weh)/We je kwo onye njanja/ (Swo)/ Brother e kwe nu go na o na eme/ Swo swo/ Udu egbe ndi nso/ Ah eh/ Nwanne ogini na eme/ Ogini na eme, Ogini na  eme/ Ugo chalacha nweme chu chu/ Person wey dey buy drink/ E no dey too dance for club eh/ But the ones wey no get money/ O gbafa e tin mkpu… Miahiahy an'i Thomas i Oga/ho any amin'ilay lehilahy manankambo/ Hitan'ny rahalahy fa mety hitranga izany/ny feon'ny basin’ny fanahy/ inona no mitranga ry rahalahy/Manao chu chu (feom-boromahery) ny voromahery tomady/ilay olona mividy zava-pisotro ao amin'ny klioba/tsy mandihy firy ao amin'ny klioba/fa mitabataba be ireo bandy tapaka Cavemen, manavao ny lasa ho ankehitriny Ny fonon'ny rakikiran'ny Cavemen “Love and Highlife” Ny Cavemen, izay ahitana ny mpiray tampo Benjamin James sy Kingsley Okorie, no mpitondra fanilon'ny mozika highlife ankehitriny. Nivoaka tamin'ny taona 2020 ny rakikiran’izy ireo voalohany “ Roots ”. Tsy toa ny Flavour, Phyno, ary Umu Obiligbo, fa nametra ny fahitana ireo singa ara-kolontsaina Igbo ny Cavemen. Izany hoe, tsy mahay miteny Igbo malama izy ireo, satria lehibe tao Lagos any atsimoandrefan'i Nizeria. Nanome azy ireo savaranon’andom-pikarohana mankany amin'ny highlife izany, ka izany no mahatonga ny mozikan'izy ireo ho tena maoderina, karazana gadona highlife izay mikaroka lohahevitra amin'izao ankehitriny izao. Antsoin'izy ireo hoe tambatra highlife ny gadona mozikany. “Ny ho tetezana hampitohy ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy no tanjonay. Ahoana àry no hanaovanay izany? Tazoninay ny feo fa ampianay fanovana vaovao maoderina izay tsy misy ao aminy, “Hoy i Okorie nanazava tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny The DJ Booth, vavahadim-baovaon’ny mozika an-tserasera iray. Noho izany, midika izany fa manalefaka ny feon-kira mba ho “manaitra kokoa ny tanora amin'izao fotoana izao…sy hanehoana taratra ny zava-misy izay tsy hita tamin'ny highlife tany amin'ny taona 70 sy 80. Milaza koa izy ireo fa miezaka ny hanatratra ny fanahin'ny highlife. Ny gadona tsotra sy ny fidobodobony miaraka amin'ny amponga sy ny gitara beso no mahatonga azy ireo ho tena maoderina sady manome azy ireo ny fomba tsotra. Miresaka lohahevitra amin'izao andro ankehitriny izao ny iray amin'ireo hira “ Runaway Lady ”, hira iray miresaka momba ny tsy fisian’ny fihetseham-pon'ny vehivavy iray. Runaway lady/ My special lady/ You just dey run away/ My pretty lady)/ Runaway/ You dey run dey run baby/ She get shakara eh/ I never see this kind lady/ She wanna dance/ She dey dance lady dance/ She wanna move/ She wan use me catch cruise/ Talk the talk eh/ She dey talk she never do eh/ My lady/ Ị na enyem’ nsogbu eh/ My lady/ My lady/ Ị na enyem’ nsogbu eh/ My lady/ Runaway Lady/ My lady/ Runaway Lady/ Ogini? Ravehivavy mpandositra/Ravehivavy manokana ho ahy/Mandositra ianao akia/Ravehivavy mahafatifaty ahy/Mandositra/Mandositra ianao akia/ Miwerawera izy/ Mbola tsy nahita an'ity karazam-behivavy ity aho /Te handihy izy / Mandihy izy, mandihiza ravehivavy/ Te hihetsika izy/Mandiso fanantenana ahy izy/Resaho ny resaka eh /Kabary fa tsy asa eh/Ravehivaviko/manome olana ahy eh/Ravehivaviko/Ravehivaviko/Mampahory ahy izy / Ravehivaviko/Ravehivavy mpandositra/Ravehivaviko/Ravehivavy mpandositra/(inona izany?) Misavasava lalina any amin'ny fisian'olombelona ny hira hafa toy ny “ Akaraka” (“Anjara”), “ Oge” (“Fotoana”), ary “ Osondu” (‘Hazakazaka mba ho tafita velona’). Miompana amin'ny fitiavana sy tantaram-pitiavana izay miantraika lalina eo amin’ireo tanora ny hira hafa toy ny “ Ifeoma ,” “ Fall “ “ Anita “ ary “ New Pammy” . Namerina ny highlife tany amin’ny toeram-pandihizana ny Flavour ary nanambatra ny highlife sy ny hip-hop ry Phyno. Etsy ankilany, nitazona ny gadona Igbo highlife ôrizinaly ry Umu Obiligbo, ary nitondra ny mampiavaka azy ry Cavemen sady nitondra azy mba hifanaraka amin’ny toetr’andro amin'ny fomba izay hifanarahan'ny lohahevitra momba ny tanora. Raha atambatra, ny tian'ireo tanora Nizeriana ireo ahatongavana dia ny hanova tanteraka ilay karazana, niteraka vanim-potoana vaovao feno fanantenana ho an'ny mozika Igbo highlife. Ito ny lisitry ny rakikira ahitana ny mozika Igbo highlife ankehitriny:
https://mg.globalvoices.org/2022/07/07/158696/
Ny fomba niatrehan'i Nizerià ny fanao tsy mitsahatra mandrimbona ny taovam-pananahan'ny vehivavy (FGM): resaka tamin'ny Dr. Chris Ugwu
2022-07-07T14:57:23
Unknown
Fotoana iray nanofanana tanora nizeriàna vitsivitsy momba ny fampitsaharana ny FGM. Sary an'ny SIRP Nigeria, nahazoana alàlana. Ao Nizerià, 20 tapitrisa ireo ankizivavy sy vehivavy no niharan'ny fandrombinana taovam-pananahana – Female Genital Mutilation (FGM). Araka ny voalazan'ny Fikambanana Erantany momba ny Fahasalamana ( OMS ), “ny FGM dia mitondra amin'ny fanesorana ampahany na manontolo ny taovam-pananahana ivelany amin'ny vehivavy, na fahasimbàna hafa manjo ny taovam-pananahan'ny vehivavy noho ny antony tsy ara-medikaly .” Manerana izao tontolo izao, iray ampahafolon'ny ankizivavy sy ny vehivavy nandalo tamin'ny FGM dia ao Nizerià avokoa. Io firenena io no ahitàna be indrindra ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy amin'ny pôlitika, toekarena ary fampianarana. Samy manohintohina ny fandrosoana rehetra mankany amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ireo fomba fanao feno fanavakavahana, ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy, ary ireo fitsaratsaram-poana noho ny maha-lahy na maha-vavy. Lasa fandikàn-dalàna sazian'ny lalàna tamin'ny 2015 momba ny fandraràna ny herisetra atao amin'ny olona ao Nizerià ny FGM sy ireo endrika hafa amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy . Kanefa, mitohy noho ny antony marobe ilay fomba fanao. Tamin'ny Jona,  Sangita Swechcha dia niresaka tamin'i Dr. Chris Ugwu, Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Society for the Improvement of Rural People ( SIRP ), fikambanana sivily, miasa ho amin'ny fampitsaharana ny FGM amin'ny alàlan'ny fanovàna ara-tsôsialy sy ara-pitondrantena ao Nizerià. Global Voices (GV): Fa maninona no atao ny FGM ary ahoana no fiantraikany amin'ny fahasalamàna sy ny fahasambaran'ireo ankizivavy sy vehivavy? Dr. Chris Ugwu: Ato Nizerià, ny faritra atsimo-adrefana sy atsimo-atsinanana no ahitàna ny taha ambony indrindra amin'ny fanaovana FGM. Tena marobe ny antony mahatonga ny fanaovana ny FGM  ato Nizerià. Eo ny antony ara-kolontsaina ampiasàna azy io ary hatramin'ny hoe hanesorana ny faniriana firaisana ara-nofo ao amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy eto aminy firenena. Fa ho an'io fanontaniana io, aleo idirantsika lalindalina ireo antony vitsivitsy mahatonga ny fampiharana azy any Enugu ao atsimo-andrefan'i Nizerià. Ao amin'ny fanjakan'i  Enugu, raha ny marina dia noho ny rafitra fitondran-dehilahy no antony anaovana ny FGM, izay miantoka ny fanjakazakàn'ny lehilahy amin'ireo vehivavy. Fomba iray io hanindrian-dry zareo sy hanerena ny vehivavy. Antony iray hafa koa ny hoe matetika no heverina ho fomba tsy maintsy arahana amin'ny ara-kolontsaina/ara-pinoana ny FGM, ohatra, fomba fanao fiampitàna mankamin'ny taonan'ny olondehibe, ny fandrimbinana ny taovam-pananahan'ny vehivavy mandritra ny fotoana fanaovana batisa, sns… Any amin'ny ankamaroan'ireo vondrompiarahamonina ao amin'ny Fanjakana Enugu, amin'ny ankapobeny ny FGM dia atao amin'ny andro fahavalo aorian'ny nahaterahana, mba hifanandrify amin'ny lanonana fanaovana batisa ilay zaza, izay fotoana firavoravoana arahana fanomezana sy fihinanambe. Mifamatotra ny fanomezana anarana sy ilay fandrimbinana. Hita ihany koa fa tsy afaka manohitra an-karihary mba tsy handrimbinana ny zanany vavy ireo reny mahantra satria mety hidika izany fa tsy hisy koa ny lanonana fanomezana anarana. Izany rehetra izany no nanampy nampiroborobo io fomba fanao io tao amin'ny Fanjakana Enugu. Dr Chris Ugwu, nandray anjara tamin'ny iray tamin'ireo fanentanana nokarakarain'ny SIRP tao Nizerià. GV: Inona no fiantraikan'ny FGM teo amin'ny fanabeazana ny ankizivavy sy ny vehivavy tao Nizerià? Dr. Ugwu: Tsy azo tsinontsinoavina ireo fiantraikan'ny FGM tamin'ny fahasalaman'ny vehivavy. Satria mitarika hirifiry mahatsiravina, aretina, fahaverezan-drà be loatra, tsy fahatazonana amany, fahasarotana rehefa miteraka, dona anaty ary hatramin'ny fahafatesana aza indraindray. Sady koa, misy dindony amin'ny fanabeazana ireo ankizivavy io. Miasa ho toy ny mpisava làlana amin'ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizivavy ny FGM. Midika izany fa mila mandao alohan'ny fotoana ny sekoly izy mba hiahy ny ankohonany. Miantraika foana amin'ny vintana tokony ho azony mba hahazoana asa tsara sy karama sahaza amin'ny hoavy izany. GV: Asehon'ny fanadihadiana nataon'ny Society for the Improvement of Rural People (SIRP) fa 95% tamin'ireo nanontaniana dia tsy mbola nandre mihitsy hoe ny FGM dia lasa heloka sazian'ny lalàna ao Nizerià. Inona no azonao ambara momba izay ? Dr. Ugwu: Zavatra iray tsy azonay eto Nizerià hireharehàna io, satria noho ny tsy fisian'io fahalalàna io, nahita izahay fianakaviana sy vondrompiarahamonina mandrisika ny fanohizana io fomba fanao io. Tena faran'izay mahonena tokoa. Noho izany, ny zavatra ataonay dia ny mampita io fahalalàna io any amin'ireo vondrompiarahamonina isankarazany eto Nizerià. Efa ho telo taona mahery izao izahay no nanao an'io ary hotohizanay hatrany. Amin'izao fotoana izao, mametraka ny tetikasa End FGM (Atsaharo ny FGM) izahay ao Akwuke miaraka amin'ny fanohanan'ny Feed the Minds (UK). Ao anatin'io tetikasa io, ezahanay mba ho voaentana daholo ireo mpikambana ao anatin'ny vondrompiarahamonina, momba ilay lalàna mandrara ny herisetra atao amin'ny olona – Violence against Persons Prohibition Law (VAPP Law) an'ny Fanjakana ao Enugu, izay mandrara ny fanaovana FGM eto Nizerià. GV: Manana traikefa marobe ianao amin'ny fiarahana miasa amin'ireo vondrompiarahamonina. Ahoana ny fivoaran'ny fiarahamonina amin'ny resaka fanaovana ny FGM? Dr. Ugwu: Tena mahafinaritra be ny mahita ny fiarahamonina miova. Io dia satria ankehitriny izahay mahita fianakaviana sy vondrompiarahamonin manova ny toetsainy sy ny fomba fanaony manoloana io fomba fanao io. Miampanga ankarihary sy imasom-bahoaka no sady mandràra io fomba fanao io izao ry zareo. Hatreto dia hitanay izany any amin'ireo vondrompiarahamonina sasantsasany toy ny Awgu, Okpanku, ary ny Oduma eto amin'ny Fanjakana Enugu. Zavatra iray nanampy tamin'izany ny fomba firosonay, izay nahitàna ny fampiasàna fifampiresahana mivantana sy tsy misy fitsaratsaràna, ary mitondra fanorenana, niarahana tamin'ireo mpikambana isantsokajiny avy amin'ilay vondrompiarahamonina. GV: Inona no fomba ataonareo hamongorana ny fanaovana FGM ao Nizerià, ary inona no fepetra fisorohana apetrakareo? Dr. Ugwu: Ny fomba ampiharinay dia mifàka amin'ireo singa 6 napetraky ny UNICEF hialàna amin'ny fanaovana FGM . Misy lafiny maro io fomba io, izay idiran'ny fampiasàna ny fifampiresahana mivantana sy tsy misy fitsaratsaràna, ny fanekena avy amin'ilay vondrompiarahamonina, ny mpampahalala vaovao, ny lalàna, ary mazava loatra, ireo taranaka handimby. Amn'izao fotoana izao izahay dia mametraka tetikasa iray End FGM mandritra ny 12 volana ao anivon'ny vondrompiarahamonina Akwuke ao amin'ny Fanjakana Enugu, Nizerià. Efa nikarakara sahady izahay fampiofanana, atrikasa ary fandaharana alefa amin'ny onjampeo, ary efa nanomboka nahita vokatra tsara. Antenainay ny hitondra fiovàna misy fiantraikany maharitra.
https://mg.globalvoices.org/2022/07/10/158537/
Fanomezam-boninahitra poeta Keniàna, Grandmaster Masese izay niaro ny kolontsaina Abagusii tamin'ny alàlan'ny tononkalo sy hira
2022-07-10T14:25:57
Unknown
Ny Kalaza Lahy Masese (Grand Master Masese) nandritra ny fampisehoana taloha niaraka tamin'ny Obokano-ny. Loharanon-tsary : teo amin'ny pejy Facebook -ny Nodimandry tamin'ny 1 Jona 2022, ilay Keniana p oeta , mpahay mozika sady mpikatroka ara-kolontsaina, Dennis Dancan Mosiere , fantatra amin'ny anarana malaza hoe Grand Master Masese, vokatry ny tazo namely tany amin'ny atidohany. Nalaza be tamin'ny tononkalony, mpitantara angano (g riot ) nitety tanan-dehibe i Masese izay nitendry Obokano – lokanga misy tady valo an'ny vahoaka Gusii any andrefan'i Kenià. Nipoitra avy tao amin'ny fanjakana Mandé tamin'ny taonjato faha-13 tao Mali, ny Griots dia mpitantara sy mpitendry zavamaneno amin'ny mozika mandehandeha ka ny tanjony dia ny hitahiry ireo tetiarana sy lovantsofina an'ny foko. Ao Afrika andrefana no ahitàna matetika ireo Griots an'ny fotoana maoderina, mitantara ny tantarany amin'ny alalan'ny mozika, amin'ny alalan'ny fampiasana zavamaneno misy tadiny mahazatra toy ny ngoni , ny kora na ny balafon . Anisan'ireo mpilalao Obokano vitsivitsy sisa tavela izy ary iray amin'ireo tanora mpilalao hita maso tsy fahita firy. Ny fikatsahany hitahiry ny kolontsaina Abagusii no nitarika azy nanapaka ny sakana rehefa nampifangaro ireo feo nentim-paharazana sy vaovao izy, anisan'izany ny antsa sy ny hip-hop, na dia nanao mozika folk aza izy amin'ireo hetsika ‘micro’ misokatra anatina klioba, toerana fisotroana kafe tao Nairobi ary teo amin'ireo sehatra fetibe manerantany. Fitiliana diso, resaka tsy nifankahazo Saripika iray ho fahatsiarovana an'i Masese nataona Keniàna iray mpanakanto mpanao zavatra natao hojerena, Nuru Bahati. Fampiasàna nahazoana alalàna. Tsy nampoizina no sady nampalehelo ny fahafatesan'i Masese. Vao teo amin'ny faha-efapolo taonany monja, diso ny filitiana natao azy hoe tratry ny amiba . Raha teo am-piezahana ny hitondra azy hifindra hôpitaly hafa ireo namany rehefa niharatsy ny fahasalamany, namoy ny ainy teny an-dàlana izy. Toy izao no vakin'ny hafatra farany nalefany ny 1 Jona tao amin'ny pejiny Facebook : “Ato amin'ny Hôpitaly Huduma. Tena niha-narary tsy laitra aho. Ho vita ny amiko.” Raha nifamory andro vitsy taorian'ny nahafatesany ireo namany poeta, mpiangaly mozika, mpikatroka fianakaviana, ary namany mba hanao hetsika fanomezana voninahitra ny fiainany sy hizara ireo tantarany mandritra ilay fanomezana voninahitra, tononkalo, ary mozika, dia nambaran-dry zareo ny tsy fahatakarana sy tsy firaharahiana an'i Masese fony fahavelony. Noheverina ho nahiliky ny fiarahamonina nisy azy izy noho ny tsy fahavononany hitsofoka anaty vata kely tsara rafitra sy hotondroina ho toy ny poeta na mozisiàna tsotra fotsiny. Nolaviny ny hanaraka ireo fenitra milaza ny tokony ho fahtàna sy fitafin'ny mpilalao nentindrazana ny Obokona, ka nahaonga azy ho tsy nisy lanja loatra tao Nyamira, vohitra nahaterahany . Ny trano fandraisampeo Dagoretti, maripamantarana mozika ao Nairobi mampiroborobo sanganasa midadasika be vokarina ao Kenià, nilaza hoe : “Still reeling from the unexpected and sudden passing of Grandmaster Masese.  ……. Living or not, there's nothing bad I could ever say about him. He was just a pure and wonderful individual. Overlooked and misunderstodd, masese was an outsider musician where he was from. pic.twitter.com/pszNrWtSYU — Dagoretti Records – (@DagorettiR) June 9, 2022 “Mbola tena ao anaty alahelo tamin'ny fahafatesana tsy nampoizina sy tampoka an'i Grand Master Masese. Velona na maty, tsy misy ratsy azoko lazaina momba azy. Olona madio sy mahafinaritra fotsiny izy. Natao tsinontsinona sy tsy nojerena, mpitendry mozika vahiny i Masese t amin'ny toerana niaviany. pic.twitter.com/pszNrWtSYU Rastafariana tsy mino an'Andriamanitra i Masese. Lahatsoratra iray tao amin'ny bilaoginy “ Fampieritreretana sy Obokano an'ny Grandmaster Masese ” (nanomboka tamin'ny taona 2006) no mitantara an'ireo fahoriany. Ny hafatra tamin'ny volana Aprily 2009 mivaky hoe: Fa nanapaka hevitrakosa aho ny hiresaka amin'izy ireo ary niezaka niaro tena. Na teo aza ny hatezeran'izy ireo, nolazaiko azy fa tsy mifanaraka amin'ny satako izay rehetra nolazainy. Nanomboka nanome tsiny ny polisy izy ireo noho ny famelàny mpamono olona toa ahy hanao hetsika an-kianja andro iray manontolo rehefa fantany ny toerana misy anay. Nilaza izy ireo fa ny fanaovako randrana eo an-dohako dia manamarina fa manana fambolena rongony aho. Toeram-ponenana manirery ho an'olona iray niady mafy ho amin'ny fivelarany tao anaty tontolo iray ny azy, izay vitsy no nankasitraka na nahatakatra ny ezaka nataony. Tsy hoe fotsiny namerina nampiaina ny mozika vakodrazana nentin-drazana avy ao Gusii izy tamin'ny fampiarahany azy tamin'ireo singa maoderina, fa nitahiry izany koa tamina endrika nomerikan'ireo hirany sy ny tononkalony navoaka tamin'ny aterineto sy tamin'ny bilaoginy. Ny fijery iray mikasika ny fiainany dia maneho vakivakina mozika saro-takarina izay nandaniany folo taona mahery vao tafatambatra ireo ampahany.. ‘Vinyl’ voalohany an'ny mozika Obokano tao anatin'ny 50 taona Na maro aza no mahatsiaro fa olo-malaza i Masese izay ny Obokano goavany no soniany, ny fiakanjony afrocentrique sy ireo volony dreadlocks lavabe misy akoran-driaka, dia vitsy no afaka mahatakatra ny maha-zava-dehibe ny asa sasany nataony – indrindra fa tamin'ny faramparan'ny fiainany. Ny taona 2022 no taom-pisandratana ho azy. Voapetrany tamin'ny toerany ihany ireo singa farany mba hanehoana endrika iray – ny sanganasa goavany – rakikira iray malaza navoaka tamin'ny Desambra 2021 tamin'ny endrika Nomerika, CD sy Vinyl. rakikira voalohany lava indrindra an'ny mozika Obokano novokarina hatramin'ny taona 1972 nivoahan'ny “ Music Of Kuria & The Gussii Of Western”. Navoaka tamina kapila ‘7 pouces’, io no rakikira feno iray voalohany navoakan'i Grandmaster Masese . Navoaka teo amin'ny Dagoretti Records izy io, manasongadina ilay mpilalao mozika iraisam-pirenena : Kunal Prakesh (Jeff the Brotherhood, Weather Warlock) eo amin'ny gitara, mpively amponga ary artista momba sy feo, Samm Bennett mipetraka any Tokyo  (UA, Haco, Elliot Sharp, sy ny sisa), ilay mpively amponga avy any amin'ny faritra Dertoit, Mike List (Dr Pete Larson's Cytotoxic Nyatiti Band), basista sy mpilalao vata maroafitsoka (synthétiseur) Dave Sharp (Dave Sharp Worlds) izay samy nanampy an'ilay feony miavaka avokoa. Nandritra ny famoahana ilay rakikira, ny mpamorona ny Dagoretti Records, Pete Larson , namariparitra izany toy izao: Ity fandraketana feo ity no fantina tokana sy fitambarana tononkira tsy manam-paharoan'ireo fombandrazana taloha tamin'ny Obokano sy ny vahoaka Gusii ary mampifangaro azy ireny amin'ireo hevitra miroso mankany aloha avy amin'y sasany tamin'ireo mpiangaly mozika miavaka eto ambonin'ny tany, ny fandraketana feo lava indrindra sy voalohany ho an'ny Obokano tao anatin'ny tantara, ary andran-tsira am'ny hoavin'ny mozika afrikàna. Tao anaty lahatsary iray fanmezana voninahitra ilay kalaza lahy, nampita ny fahatairany sy ny alahelony i Larson tamin'ny namoizana “ny iray amin'ireo vitsivitsy hany sisa velona tamin'ireo mpiangaly Obokano” Raha nandray fitenenana nandritra iay fanomezana voninahitra, nilaza i James Murua, bilaogera miresaka ny Literatiora Afrikana, mipetraka ao Nairobia, fa “Taonan'ny fisandratana ho an'i Masese iny”
https://mg.globalvoices.org/2022/06/20/158170/
Ireo mpitari-dalana ny mozika highlife Igbo ao Nizeria
2022-06-20T04:25:17
Unknown
Igbo New Yam Festival ao Dublin. Sary avy amin'i Ji-Elle via Wikimedia Commons , 30 Aogositra 2008. (CC BY-SA 2.0) Nitàna andraikitra lehibe teo amin'ny sehatra ara-kolontsain'ny firenena ny mozika highlife (karazan-kira Afrikanina) Nizeriana hatramin'ny naha-lasa ho iray amin'ireo karazan-kira malaza indrindra azy tamin'ny taona 1960. Iray amin'ny endriky ny mozika tamin'izany vanim-potoana izany ny fifehezana ireo zavamaneno, izay nasongadina fatratra tao anatin'ny ankamaroan'ny hira. Zava-dehibe izany satria nolalaovina mivantana tamin'ny ankapobeny ny mozika. Nanome hanitra miavaka ho an'ny highlife ny fifangaroan'ny feo amin'ny fitaovana tsotra avo lenta – gitara na piano miaraka amin'ny Ogene, Ichaka, ary Oja. Lohalaharana tamin'ireo fiovana ireo ny mpanakanto Igbo Highlife tamin'ity karazana mozika ity . Manomboka amin'ny iray amin'ireo mpamoron-kira betsaka indrindra hatramin'ny mpitondra zava-baovaon'ny highlife, misy ny sasany amin'ireo olo-malaza izay nametraka marika manan-danja amin'ity karazana mozika ity. Sary: Fonon'ny rakikiran'ny lehibe Osita Osadebe ‘Osadebe ‘78 (Vol 2) ’ Osita Osadebe (1936-2007), Mpanjakan'ny Highlife any Nizeria, no mpisava lalana amin'ny fiovan'ny fomba fihirana Igbo nentim-paharazana ho lasa highlife. Nanambatra ny rakitry ny antso sy valiny, amin'ny gadona haingana mampandihy ny highlife an'i Osadebe. Natao ho fialamboly amin'ny ankapobeny ny mozikany, ka nahazoany ny anaram-boninahitra hoe “Dokoteran'ny Tosi-drà avo”. Rehefa matotra tamin’ny maha-mpiangaly mozika azy izy dia nitodika tany amin’ny olana ara-tsosialy sy ireo zava-tsarotra natrehiny teo amin’ny fiainana ny lohahevitry ny hirany. Mpamoron-kira maro, nanoratra hira 500 teo ho eo i Osadebe. Saingy ny tanjaky ny fahaiza-manaony dia ny fitantanany ny lafiny tsirairay amin'ny famokarany ny hirany manomboka amin'ny famoronana ka hatramin'ny fampisehoana mivantana. Araka ny filazan'i Osadebe, dia noho ny tsy fahampian’ny talen’ny mozika sy ny mpanatontosa tamin’izany fotoana no anton'izany. “Ezaka nataon'olona iray tamin'ny ankapobeny izany,” hoy izy tamin'ny tafatafa iray. “Mamorona ny hirako aho, manoratra ny fototra, mandamina, manoratra ny tononkira, ny feo ary mitarika ny tarika.” Manome fanantenana eo anatrehan'ny zava-tsarotra maro ny ankamaron'ireo hirany toy ny ‘ Nwanne m ebizina ‘ (aza mitomany rahalahy) na ‘ Makojo ‘ [anyi ga-ebi] (Tsy maninona izay  izay zava-dratsy, [hitohy hiaina isika]). Mirakitra ny fahendrena filôzôfika, noravahana ohabolana Igbo ny iray amin'ireo hirany malaza indrindra, ‘Osondi, Owendi': Ife sozili onye sozi chi yá/ Na enu uwa nke a anyi no nu/ O bu onye ka zi Chukwu/ O gbanari chi ya na oso nu/ O na ebukwa chi ya uzo anaba nu/ Ife na aso gi/ Okwazi ya na aso zi onye ozo nu/ Mana afa egwu a m na etizi nu/ Osondi owendi Maka Ka Ife uwa aso ndi ufodu nu/ Etu a Ka o na ewezi ndi ufodu/ Osondi owendi/ Osondi owendi/ Osondi owendi/ Osondi owendi/ Osondi owendi Lazaina fa izay mampihiratra ny tena no mampihirana ny chi-any (andriamaniny manokana) / Fa eto amin'ity tontolontsika ity / Iza no lehibe noho Andriamanitra / Izay mihazakazaka haingana kokoa noho ny chi / no tena hiala eo alohan'ny chi-any / Satria izay mampihiratra anao / mety tsy mahafaly ny hafa/ Fa ny anaran'ny mozika ataoko dia/ Osondi owendi (satria mahafaly ny sasany, ka mahatezitra ny hafa)… Oliver de Coque Fonon'ny rakikiran'i Oliver de Coque “Biri Ka Mbiri” (Velona ary avelao ho velona, amin'ny teny Igbo) Oliver de Coque , nomena anarana Oliver Sunday Akanite (1947-2008) tamin'ny fahaterahany, dia mpiangaly mozika sy mpitendry gitara mana-talenta ary manana rakikira 70 mahery. Nampiofanin'i Piccolo, mpitendry gitara Kongoley monina any Nizeria i De Coque. Ahitana ny toetra rehetra ananan'ny highlife ny endri-kirany saingy ahitana talenta amin'ny gitara. Raha ny marina, nametraka ny highlife mifototra amin'ny gitara ho  singa mibahan-toerana amin'ity karazan-kira ity i Coque. Tahaka an'i Osadebe, nihazakazaka lalina tao anatin'ny lahatahiry feno fahendrena momba ny maha Igbo azy i de Coque. Miaraka amin'ny hira toy ny ‘ Biri ka m biri ‘ (‘Velona ary avelao ho velona’) sy ny ‘ Uwa bu aja ‘ (‘Fasika fotsiny ity tontolo ity’), nanantitrantitra ny fahamarinana mandrakizay momba ny fiaraha-miaina milamina sy mirindra amin'ny hafa izy, mametraka ao an-tsaina ny tsy faharetan'ny fisiana an-tany. Na izany aza, nametraka marika i de Coque tamin'ny fampanaovana ho malaza ilay fironana, izay mbola misy hatramin'izao, eo amin'ireo mpiangaly  mozika mihira ny fiderana ireo mpikambana manankarena sy malaza eo amin'ny fiarahamonina. ‘ Ana Enwe Obodo Enwe’ (‘Misy ireo izay manana trosa amin'ny tanàna’) sy ny ‘Peoples Club of Nigeria (Kliobam-bahoaka ao Nizeria)’ dia manondro ny toe-tsaina Igbo mpandala ny fitoviana izay manasongadina ny indostria, ny dia sy ny paikady ho toy ny mpitondra fanambinana manokana, ary nanome azy ireo ny laza sy voninahitra avy eo. Mpitondra zava-baovao ny Igbo highlife ihany koa i Mike Ejeagha tamin'ny akuko na egwu , izay midika hoe fitantarana, amin'ny fampiasana hira hitantarana vako-drazana (folklore) Igbo. Miharihary izany amin'ireo hira toa ny ‘ Omekagu’ (‘ilay mitondra tena toy ny tigra’) sy ny ‘ Enyi Ga Achi ‘ (‘Ny elefanta no hanjaka’). Manome fanabeazana ny tononkiran'i Ejeagha, ahitana ireo ohabolana maro be aseho amin'ny fomba didaktika (fampianarana). Izy no olona voalohany nampiasa ity endrika ity amin'ny mozika highlife. Ao amin'ny ‘Uwa mgbede’ (‘Fiainana amin'ny takariva’) indray, milaza ny tantaran'ny fiainana izy — ny fomba hitomboan'ny olona iray, miasa, ary aorian'izay dia tsy maintsy miatrika ny zava-misy iainan'ny fahanterana (uwa mgbede). Noho izany, tokony tsy haka sarotra amin'ny fiainana ny olona. Teraka tao Abakaliki , Ebonyi any atsimo atsinanan'i Nizeria i Nico Mbarga (1950-1997), Kameroney-Nizeriana mpiangaly mozika highlife. Malaza amin'ny famoronana fifangaroana (hybrida) tokana amin'ny fitendrena gitara Kongoley sy Nizeriana i Mbarga. Iray amin'ireo hira malaza indrindra any Afrika ny hirany ‘Sweet Mother (Reny Mamy)’ tamin'ny taona tamin'ny 1976 taona, nahalafo kopia 13 tapitrisa. Nadika tamin'ny teny Nizeriana pidgin, mbola tsy lefy laza hatrany ny “Sweet Mother”: Sweet mother, I no go forget you/ For dey suffer we you suffer for me, yeah/ Sweet mother, I no go forget you/ For dey suffer we you suffer for me, yeah/ When I dey cry, my mother go carry me/ She go say my pikin wetin you dey cry, yeah, yeah/ Stop stop, stop stop, stop stop/ Make you no cry again oo/ When I wan sleep, my mother go pet me/ She go lie me well-well for bed/ She go cover me cloth say make you sleep/ Sleep sleep my pikin oooo Neny mamy, tsy hanadino anao aho/ Noho ny fahoriana rehetra nanjo anao noho ny amiko/ Neny mamy, tsy hanadino anao aho/ Noho ny fahoriana rehetra nanjo anao noho ny amiko/ Rehefa nitomany aho, i Neny no mitondra ahy/ Hoy izy, ry zanako nahoana ianao no mitomany, eny, eny, mijanona, mijanona, ajanony ajanony, aza mitomany intsony / Rehefa te hatory aho, dia manafosafo ahy ny reniko/ Mametraka ahy eo am-pandriana izy /Manafy lamba ahy izy no mihira hampatory ahy/ Matoria, matoria ry zanako Araka ny nohamafisin’i Joseph-Achille Mbembe, filôzôfy Kameroney sady manam-pahaizana malaza, “fankalazana ny tsy mety mahalevona ny fiainana ny mozika.” Nanambara tamin'ny fomba hentitra izany fifaliana miaina izany ny mozika highlife any Nizeria. Ity misy ny lisitry ny mozika Igbo highlife taloha:
https://mg.globalvoices.org/2022/06/17/158279/
Efa misy ny fampiasa (app) ho an'ny boky Afrikana amin'ny teny Portiogey
2022-06-17T04:47:14
Unknown
Lasa mora kokoa ny miditra amin'ny sehatry ny literatiora afrikanina. Tontosa izany noho ilay mpanao printy mozambikana, Ethale Publishing , izay nanomboka, tamin'ny 10 Febroary, fampiasa iray ho an'ny boky nomerika Afrikana antsoina hoe Ethale Books App . Amin'izao fotoana izao, ao amin'ny Google Play Store ihany no azo isintomana ilay fampiasa, ary azo alaina amin'ny alalan'ny fandoavam-bola amin'ny finday ny boky, izay tsy miasa afa-tsy ao Mozambika aloha amin'izao fotoana izao. Noho izy vao haingana dia tsy mbola azo lazaina fa mahatratra ny sehatra lehibe indrindra eran-tany toa ny Kindle izy io, saingy mahaliana ny nivoahan’ny tamin’ny tetikasa avy any an-toerana ao Mozambika. Efa nieritreritra ny hanana boky mora vidy 80% ve ianao izay tonga any amin'ny vazan-tany rehetra ao anatin'ny indray mipi-maso? Manolotra ny fampiasa Ethale Books ny Ethale, fampiasa ho an'ny boky nomerika. Hita ao amin'ny Play Store ho an'ireo mpankafy literatiora rehetra. Asio ilay fampiasa ny findainao ary ankafizo ny literatiora tsara indrindra. Ilay fampiasa no sehatra nomerika voalohany ho an’ny boky elektronika ao Mozambika ary ahitana lohateny literatiora toy ny “Matigari”, nosoratan'i Ngugi wa Thiong'o, “A Greve dos Mendigos”, nosoratan’i Aminata Sow Fall ary “O Voo dos Fantasmas”, nosoratan’i Melio Tinga. Fantatra ihany koa fa afaka manome boky rakipeo ihany koa ilay fampiasa. Amin'ny ankapobeny, manana fitaovana ny fampiasa Ethale Books, toy ny tamin'ny taona 2020, nanangana ny Ethale Talks ny Ethale Publishing, fantsona YouTube io natokana hikarohana ireo lohahevitra mafana sy manan-danja indrindra momba ny kolontsaina, ny literatiora ary ny vondrom-piarahamonina Afrikana, izay ho hita ao amin'ny fampiasa ny votoatiny. Tao amin'ny pejiny Facebook, nilaza i Jessemusse Cacinda, mpanorina ny fanaovam-printy fa noho ny fanohanan'ny Fondation Miles Morland (Londres) sy ny fiaraha-miasan'ny Fikambanana Mozambikana momba ny Fandalinana Ampiharina (Nampula) no nahatontosana ny fangatahana.
https://mg.globalvoices.org/2022/06/14/158218/
Kameroney Mpikatroka nahazo ny lokan'ny Zon'olombelona RFK 2022
2022-06-14T04:39:33
Unknown
Kerry Kennedy, Maximilienne Mbe ary Felix Nkongho nandritra ny Fanomezana Loka Zon'olombelona RFK tamin'ny 9 jona 2022 tao amin'ny Efitrano Fivoriambe Kennedy, (Lapan'ny) Loholon'i Etazonia ao Washington, D.C. Nomem-boninahitra androany 9 Jona ny Kameroney roa mpiaro ny zon'olombelona, Maximilienne C. Ngo Mbe sy Felix Agbor Nkongho (Balla), raha nahazo ny mari-pankasitrahana Robert F. Kennedy (RFK) momba ny zon'olombelona taona 2022 nandritra ny lanonana natao tao amin'ny efitrano fivoriambe Kennedy tao amin'ny Lapan'ny Loholon'i Etazonia any Washington, D.C. Nampiaiky volana tamin'ny ezaka nataony hiadiana amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fiarovana ny sehatra sivily sy ny demaokrasia manerana an'i Kamerona sy Afrika Afovoany i Mbe sy Nkongho. Omena ny olona na vondrona maharitra amin'ny fiarovana ny zon'olombelona izay “mety iharan'ny voina goavana manokana ny tena” ny lokan'ny zon'olombelona Robert F. Kennedy sady mampiasa fomba “tsy misy herisetra”. Ireo Kameroney mpandresy tamin'ity taona ity izany no manatevin-daharana ireo mpikatroka sy vondrona miavaka maherin'ny 55 nomem-boninahitra nandritra ny 38 taona nisian'ny loka. “Natsangana ny Lokan'ny Zon'olombelona RFK  mba hanomezam-boninahitra sy hanohanana ireo izay miaina araka ny finoan'ny raiko—fa ny herin'ny herim-po ara-maoralin'ny tsirairay sy iraisana dia afaka mandresy ny tsy rariny,” hoy i Kerry Kennedy, filohan'ny Fikambanana Zon'Olombelona Robert F. Kennedy, tao amin'ny fanambarana an-gazety iray nozaraina manokana ho an'ny Global Voices. Fanehoana velona izany fomba fisainana izany i Maximilienne sy i Felix. Mampisy aingam-panahy tokoa ny fanoloran-tenan'izy ireo amin'ny fampiroboroboana ny zon'olombelona sy ny fikirizana manoloana ny loza mety aterak'izany ho an'ny tena manokana, ary manantena ny hiara-hiasa amin'izy ireo izahay. “ Ireo nahazo loka Maximilienne C. Ngo Mbe. Sary avy amin'ny RFK Human Rights , nahazoana alalana. Maximilienne C. Ngo Mbe dia Kameroney mpiaro ny zon'olombelona manana traikefa 30 taona mahery, ary mpitarika ny Central African Human Rights Defenders Network (REDHAC). Nanomboka tamin'ny 2010 izy nitarika ny ezaky ny REDHAC hampiroborobo ny sehatra sivily sy ny fahalalahana fototra manerana an'i Afrika Afovoany tamin'ny alalan'ny famotopotorana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, ny fanandrata-teny eo anatrehan'ireo vondron'olona mpiaro ny zon'olombelona, ny fanaraha-maso ny fizotran'ny demaokrasia, ary ny fitakiana ny tamberin'andraikitry ny fanjakana. Mampiditra ny teny filamatry ny Zon'olombelona Robert F. Kennedy hilaza ny marina amin'ny tompom-pahefana ny fikirizan'i Maximilienne manoloana ny fandrahonana sy ny valifaty tsy tapaka mahazo azy sy ny fanoloran-tenany amin'ny fampandrosoana ny zon'olombelona. Felix Agbor Nkongho (Balla). Sary avy amin'ny RFK Human Rights , nahazoana alalana. Felix Agbor Nkongho (Balla) dia Kameroney mpisolovava  sady mpiaro ny zon'olombelona. Talen'ny Foiben'ny Zon'Olombelona sy ny Demaokrasia aty Afrika (CHRDA) izy ary mpitarika amin'ny fiarovana ny zon'ireo Kameroney ao amin'ny faritra mpiteny anglisy iharan'ny ady. Ny asan'i Felix dia mifantoka amin'ny fampiroboroboana ny demaokrasia, ny fitondrana tsara tantana, ny fidirana mankany amin'ny rariny ary ny fanjakana tan-dalàna. Porofoin'ny asany tsy mitandro hasasarana ho an'ny zon'olombelona ao Kamerona sy manerana an'i Afrika ny lazan'i Felix amin'ny maha-mpiaro ny zon'olombelona azy na dia teo aza ny fanasazian'ny fanjakana nihatra taminy, anisan'izany ny fitazonana azy tsy ara-dalàna tamin'ny taona 2017. “Rehefa nahazo ny vaovaon'ilay loka aho, dia nibanjina ny sarin’ireo ray aman-dreniko efa maty ary nandrotsaka ranomasom-pifaliana. Ity no fanomezana tsara indrindra azoko atolotra azy ireo, ary azoko antoka fa hankalaza ry zareo any an-danitra,” hoy i Nkongho. Ny fanomezan-doka androany no akon'ilay “ Ripples of Hope Speech ” [Topatopan-Kabarim-Panantenana] nataon’ny Filoha John F. Kennedy tamin'ny 6 Jona 1960 tao amin’ny Oniversiten’i Le Cap any Afrika Atsimo: “Isaky ny mijoro ho amin’ny idealy ny lehilahy iray, na manao zavatra hanatsara ny fiainan’ny hafa, na mamely totohondry ny tsy rariny, dia mandefa topatopam-panantenana kely, ary miampitampita amin’ireo ivon'angovo an-tapitrisany maro hafa sy mihaika ireo topatopa ireo hanangana riandrano afaka mipaoka ny manda mahery indrindra amin’ny famoretana sy ny fifaharana.” Samy naneho ny vaikan'ny herim-pony tsirairay avy manoloana ireo hery mifofotra na mandrava na manalemy ny fireneny na i Maximilienne Mbe na i Felix Nkongho.
https://mg.globalvoices.org/2022/06/07/158090/
Lalàna vaovao mandrangotra ny fahalalaham-baovao sy fitenenana ao Mozambika
2022-06-07T16:03:13
Unknown
Nahita fitomboan'ny fanafihan'ny mpampihorohoro i Mozambika tany avaratry ny firenena nanomboka tamin'ny [mg] oktobra 2017, indrindra tao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado, niteraka fifandirana naharitra tao amin'ny faritra. Tsy fantatra mazava izay ao ambadiky ny [fr] herisetra , na dia misy aza ireo mampifandray azy amin'ny fihalalin'ny fahantrana na ny fitomboan'ny radikalisma ara-pivavahana ho tena anton'izany. Araka ny tatitry ny vaovao “Cabo Ligado”, efa niteraka fahafatesan'olona maherin'ny 2000 sy famindrana olona 2 tapitrisa mahery ny fanafihana tao Cabo Delgado. Satria mihamaro ny olona voakasika, dia mipoitra ihany koa ny adihevitra fahazoana vaovao nandritra fotoan'ny fifandonana. Lasa sarotra ny mahazo vaovao marim-pototra momba ny zava-mitranga eny an-kianja ary mihasarotra hatrany ny fiarovana ny mpanao gazety. Iray amin'ireo tranga misongadina [mg] ny an'i Ibrahimo Mbaruco, mpanao gazety nanjavona tamin'ny taona 2020 raha niasa tany akaikin'ny faritra misy ady. Nanjavona i Mbaruco ny 7 aprily 2020, rehefa avy voahodidin’ny miaramila, raha nampandre ny fianakaviany. Na izany aza, roa taona taty aoriana, mangina ny manampahefana momba ny fanjavonana. Efa niezaka ihany hifehy ny fomba fanaparitahana ny vaovaon'ny fampihorohoroana ao amin'ny firenena ny governemanta. Ohatra, tamin'ny Novambra 2020, ny filoha mozambikana, Filipe Nyusi, dia nanao fanamby tamin'ny Tafika Mozambikana (FADM) mba hamerenana amin'ny laoniny ny ara-dalàna any amin'ny faritra misy ny fifandonana. Nasiany manokana ny fampiasana ny media sosialy noho izy fanapariahana fandisoam-baovao momba an'i Cabo Delgado. Telo taona mahery taorian'ny nanombohan'ny fampihorohoroana, miomana ankehitriny i Mozambika hampiditra ny Lalàna momba ny Famongorana, Fiadiana sy Fisorohana ny Fampihorohoroana sy ny Hetsika mifandraika amin'izany, mikendry hiadiana amin'ny fiparitahan'ny vaovao hosoka momba ny fampihorohoroana ao amin'ny firenena. Na dia heverina ho amin'ny fotoanany aza ireo lalàna ireo, dia misy ny ahiahin'ny ao amin'ny fampitam-baovao. Mampisalasala ny MISA-Mozambika, sampan-draharaham-paritra miaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny fikasan'ny governemanta ao ambadiky ny lalàna: Apesar de um instrumento oportuno e cuja aprovação ampliará a salvaguarda da soberania nacional, esta proposta emendada da lei contempla disposições que colidem com a Constituição da República e demais legislação, especialmente no capítulo das Liberdades de Expressão e de Imprensa. O número 1 do artigo 19 do instrumento legal refere que “aquele que por qualquer meio, divulgar informação classificada no âmbito da presente Lei, é punido com a pena de prisão de 12 a 16 anos.” Esta disposição reveste-se, em si, de injustiça, ao penalizar o jornalismo assim como os cidadãos em geral, e não a quem tem o dever de salvaguardar o “Segredo de Estado”, no caso, o servidor ou funcionário público detentor de tal informação classificada. O número 2 do mesmo artigo refere que aquele que intencionalmente difundir informação segundo a qual um acto terrorista foi ou é susceptível de ser cometido, sabendo que a informação é falsa é punido com a pena de prisão de 8 a 12 anos. Esta disposição apresenta-se bastante subjectiva e passível de diversas interpretações quanto à noção de “falsidade” da informação veiculada sobre uma presumível acção terrorista. De facto e objectivamente, a veracidade de informações de um presumível acto terrorista é verificável. Na dia fitaovana mety hiaro ny fiandrianam-pirenentsika aza ny fankatoavana azy ity amin'ny fotoanany, io volavolan-dalàna nasiam-panitsiana io dia ahitana fepetra mifanohitra amin'ny Lalàm-panorenan'ny Repoblika sy ny lalàna hafa, indrindra ao amin'ny toko momba ny fahalalahana maneho hevitra sy ny asa fanaovan-gazety. Ny andininy faha-19(1) ao amin’ny lalàna dia milaza fa “na iza na iza, amin’ny fomba rehetra, manambara ny vaovao voasokajy ao anatin’ity Lalàna ity, dia saziana an-tranomaizina 12–16 taona.” Tsy ara-drariny mihitsy io fepetra io, satria manasazy ny asa fanaovan-gazety sy ny olom-pirenena amin’ny ankapobeny, fa tsy ireo manana adidy amin’ny fiarovana ny « tsiambaratelom-panjakana» amin’ity raharaha ity, na ny mpiasam-panjakana na ny tompon’andraiki-panjakana mitana vaovao voasokajy toy izany. Ny fehezan-kevitra faha-2 amin’io lahatsoratra io ihany dia milaza fa izay minia manaparitaka vaovao momba ny fisehoan-javatra na ny fanafihana fampihorohoroana, sady mahafantatra fa diso ny vaovao, dia hosazina an-tranomaizina 8 ka hatramin’ny 12 taona. Ity fepetra ity dia somary mijery olona ka azo anaovana fandikana maromaro momba ny hevitry ny “fahadisoana” amin'ny vaovao aparitaka momba ny asa fampihorohoroana. Raha ny marina, amin'ny fomba tsy mitongilana, dia azo hamarinina ny fahamarinan'ny vaovao momba ny asa fampihorohoroana. Taorian'ireo fanakianana ireo dia nanova kely ny fehezan-teny tamin'ny iray amin'ireo lahatsoratra ny Parlemanta mba hilazana hoe: Aquele que, por dever legal, tiver custódia ou sendo funcionário ou agente do Estado aceder à informação classificada por qualquer meio a divulgar, no âmbito da presente Lei, é punido com a pena de prisão de 12 a 16 anos. Na iza na iza, araka ny adidy ara-dalàna, mitana na mpiasa na solontenam-panjakana, afaka mahazo vaovao voasokajy amin'ny fomba rehetra ka mamoaka izany, araka ny valam-pamaritan'ity Lalàna ity, dia saziana an-tranomaizina 12 ka hatramin'ny 16 taona. Na izany aza, na dia eo aza ny dera nataon'ny MISA-Mozambika momba ny fiovana, dia mbola misy matromatroka ihany ny andininy sasany amin'io lalàna io ihany. Hoy ilay fikambanam-paritra: Embora a redacção desta norma tenha evoluído, a mesma ainda manifesta sinais de alguma ambiguidade que podem resvalar na violação dos direitos e liberdades dos funcionários públicos, na medida em que não só criminaliza aquele que tem o dever legal de custódia ou de guardar a informação classificada, o que é compreensível, mas também qualquer funcionário ou agente do Estado. Tal norma não é razoável, uma vez que este funcionário ou agente pode não estar sujeito a obrigação legal de custódia de informação classificada ou sequer saber que a informação que acedeu, por qualquer, meio é classificada. Esse rigor de custódia não deve ser generalizado a todos os funcionários ou agentes do Estado. Na dia niova aza ny teny ao amin’io lalàna io, dia mbola mampiseho famantarana manjavozavo izay mety hitarika ho amin’ny fanitsakitsahana ny zo sy ny fahalalahan’ny tompon’andraiki-panjakana, satria tsy ny olona manana adidy ara-dalàna amin’ny fitazonana vaovao voasokajy ihany no helohiny, izay azo henoina ihany, fa izay manam-pahefana na solontenam-panjakana tsirairay. Tsy mitombina ny lahatsoratra toy izany, satria io mpiasa io dia mety tsy iharan'ny adidy ara-dalàna amin'ny fitazonana vaovao voasokajy (tsy ho haely) na dia mahafantatra mihitsy aza fa voasokajy, na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana, ny torohay azony. Tsy tokony ahatra amin'ny mpiasa na solontenam-panjakana rehetra ny fihazonan-(tsiambaratelo) toy izany. Fahalalahan'ny Fanaovan-gazety ao Mozambika Nilaza ny Reporters Sans Frontières, fikambanana iray manara-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety manerana izao tontolo izao, fa betsaka amin'ireo fampahalalam-baovao ao Mozambika no fehezin'ny manampahefana na ny mpikambana ao amin'ny antoko Frelimo eo amin'ny fitondrana mivantana na ankolaka, izay manembatsembana ny fahaleovantenany tokoa. Raha heverina ho tokony hiantohan’ny Lalàm-panorenana sy ny lalànan’ny asa fanaovan-gazety ary ny zo hahazo vaovao ny fahalalahana sy ny fahaleovantenan’ny mpanao gazety, dia hafa ny zava-misy eny an-kianja. Tsy dia nampiharina loatra ny lalàna voalaza etsy ambony, satria mikorisa tsikelikely mankany amin'ny tsirefesi-mandidy sy ny propagandy tohanan'ny fanjakana ny fitondrana. Raha amin'ny tondron'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ankapobeny amin'ity taona 2022 ity, nomena laharana faha- 116 amin'ny 180 i Mozambika . Mitatitra ny Reporters Sans Frontières fa nitombo ny kabarim-pankahalana sy ny fanafihana mpanao gazety tato anatin'ny taona vitsivitsy, izay nahitana fanafihana 12 tamin'ny taona 2021. Nomarihin'izy ireo fa tena sarotra ho an'ny mpanao gazety ny miditra any avaratry ny firenena tsy ahiana ho voasambotra.
https://mg.globalvoices.org/2022/06/04/158011/
Afa-mamaha ny krizin'ny angovo ao Eoropa ve ny firenena Afrikana miteny paortiogey?
2022-06-04T05:06:28
Unknown
Anatin'izao ady ao Okraina izao, miezaka ny firenena Tandrefana hanao izay hahamaro ireo mpamatsy etona mba hialana amin'ny fiankinan-doha amin'i Rosia ary hitodika any amin'ireo firenena Afrikana mpamokatra etona fandrehitra aza ho fiandry azo iainana. Sary: Giovana Fleck/Global Voices Raha vao nanafika an'i Okraina i Rosia, dia maro no nanontany ny mety ho fiantraikan'ity hetsika ity  amin'ny toekarena manerantany, indrindra fa ny sehatry ny angovo. Nitsinjo fisondrotan'ny vidin-tsakafo, toy ny varimbazaha, ireo mpamakafaka sy ny mety ho tsy fahampian'ny etona fandrehitra koa aza ho an'ny firenena eoropeanina maromaro. Noho izany antony izany, manandrana manamaro ireo mpamatsy hanamaivanana ny fiankinandohan-dry zareo amin'ny etona avy any Rosia ny firenena tandrefana ary mitodika any amin'ny firenena afrikana mpamokatra etona ho fiandry azo iainana. Tamin'ny 12 Mey, nilaza tamin'i Lusa ny mpandinika Marisa Lourenço, avy amin'ny Control Risks , izay manara-maso ny toe-karenan'ny [firenena] miteny Portiogey fa i Angola no firenena Afrikana manana otrika lehibe indrindra hamaly ny filana angovo ao Eoropa: Angola tem o maior potencial para satisfazer as necessidades energéticas da União Europeia a curto prazo; é um dos poucos países da região que já exporta gás para mercados internacionais, incluindo Brasil, Japão, China e Coreia do Sul. A capacidade de aumentar a produção de gás, juntamente com a bem estabelecida cadeia de abastecimento, faz deste país [Angola] o vencedor imediato da mudança geopolítica provocada pela guerra na Ucrânia, com a Guiné Equatorial, República Democrática do Congo, Mauritânia e Senegal bem posicionados para beneficiar nos próximos dois a três anos. Angola não só tem uma infra-estrutura de exportação que lhe confere uma vantagem sobre os seus pares regionais, permitindo à União Europeia aceder às cadeias de abastecimento, como as grandes companhias petrolíferas não têm de investir tanto capital para aceder às reservas e são capazes de aumentar a produção. Manana tahiry lehibe indrindra mahavaly ny filan'ny Vondrona Eoropeana ara-angovo ao anatin'ny fotoana fohy i Angola; iray amin'ireo firenena vitsy ao amin'ny faritra efa manondrana etona any amin'ny tsena iraisam-pirenena, ahitana an'i Brezila, Japana, Shina ary Korea Atsimo. Ny fahafaha-mampitombo ny famokarana etona, sady manana rojom-pamatsiana efa miorina tsara, no mahatonga ity firenena ity [Angola] ho mpandresy avy hatrany tamin'ny fiovana ara-jeopolitika nateraky ny ady tany Okraina, niaraka amin'i Ginea Ekoatorialy, Repoblika Demokratikan'i Congo, Maoritania ary Senegaly izay samy toerana tsara hahazo tombony ao anatin'ny roa na telo taona ho avy. Tsy vitan'ny hoe manana fotodrafitrasam-panondranana i Angola izay tombony ho azy manoloana ireo mitovy aminy ao amin'ny faritra, ahafahan'ny Vondrona Eoropeana miditra amin'ny rojo famatsiana, sady tsy mila mampiasa vola be loatra ireo orinasan-tsolika lehibe mba hahazoana ny tahiry sy ahafahany mampitombo ny vokatra. Iray amin'ireo tombony ara-barotra ny efa ananan'i Angola ny Sonangol izay orinasa mitantana ny loharanon-karenany manokana. Ho an'ny mpandinika, io fotodrafitrasa io no mahasarika mpiasa vahiny tena mahay, ary firenena eoropeana maro no efa mitady an'i Angola ho mpiara-miombon'antoka. Tokony homarihana ihany koa fa mety hipoitra avy amin'ny fifandraisana ara-tantara amin'i Portugal ny tombony ho an'i Angola. Nanamafy ny fifandraisana amin’i Alemaina sy Frantsa ihany koa i Angola hatramin’ny nahatongavan’i João Lourenço teo amin’ny fitondrana tamin'ny taona 2017. Nitsidika firenena eoropeana maromaro ny Filoha Angoley tato anatin’ny volana vitsivitsy. Tamin'ny volana avrily tamin'ity taona ity, voalaza fa nitady etona angoley bebe kokoa i Italia mba hampihenana ny fiankinany amin'i Rosia. Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ara-angovo, ankoatra ny tanjona hafa, i Italia sy Angola amin'ny fampitomboana ny fanondranana etona avy any Angola sy ny fampihenana ny fiankinan'ny firenena eoropeana amin'ny famatsiana Rosiana. Nihaona tao Luanda, renivohitra Angoley, ny mpamokatra sy mpanondrana etona makadiry eto Afrika tamin'ny 18 mey 2022 lasa teo. Nitady vahaolana izy ireo mba hampitomboana ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny solika sy ny fiovana angovo. Antenaina fa ho firenena afrikanina roa hafa miteny portiogey mpamokatra etona lehibe indrindra eran-tany i Ginea Ekoatorialy sy i Mozambika, amin'ny faran'ity taompolo ity. Na izany aza, nanamarika ny tompon'andraikitra sasany fa mety hanakana an'io fandrosoana andrasana io ny toe-draharaha ara-politika mikorontana ao Mozambika. Moçambique, tal como a Nigéria, não poderá agarrar a oportunidade, a primeira devido à situação de segurança volátil e a segunda devido ao desenvolvimento limitado do sector do gás e a um quadro regulamentar confuso. A insurreição militar na província de Cabo Delgado em Moçambique está a atrasar o progresso do país, de um pequeno produtor que vende a maior parte da sua produção para a África do Sul a um exportador global, com exportações que deverão começar em 2026, “mas esta data ainda está sujeita ao ambiente volátil de segurança.” Tsy ho afaka hiditra hirika i Mozambika noho ny toe-draharaham-piarovana mora votsotra, toa an'i Nizeria izay voafetra ny fivoaran'ny sehatry ny etona sady misavoritaka ny lasitrasa fandaminana. Mampihisatra ny fandrosoan'ny firenena ny fikomiana ara-tafika ao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado ao Mozambika, ilay mpamokatra kely mivarotra ny ankamaroan'ny vokatra any Afrika Atsimo ka ho mpanondrana manerantany, nokasaina hanomboka ny fanondranany amin'ny taona 2026, “saingy mbola miankina amin'ny tontolom-piarovana mora votsotra io daty io.” Tamin'ny volana marsa tamin'ity taona ity, nitsidika an'i Mozambika Atoa Luigi Di Maio, Minisitry ny Raharaham-bahinin’ Italia, ary nanamafy fa hitohy ny fampiasam-bolan'i Eni amin'ny fitrandrahana etona voajanahary ao Cabo Delgado, izay heveriny fa fampivitrihana ny toekaren'i Mozambika sy Italia izany. Fantatra fa mikasa ny hanomboka hikaroka etona ao amin'ny faritra 4 ao amin'ny lemak'i Rovuma ny Eni amin'ity taona ity, tetikasan-davadrano ambanin'ny tany sy sehatra mitsingevana manana famokarana 3,4 tapitrisa taonina isan-taona. Raha ny momba an'i Ginea Ekoatorialy indray, ny fanadihadiana no milaza fa tokony hahazo soa avy amin'ny fifandraisany amin'i Espaina ity firenena ity, izay mpiara-miombon'antoka aminy lehibe indrindra amin'ny varotra: O que significa que terá a oportunidade de reanimar campos de gás adormecidos para servir outros mercados na União Europeia nos próximos dois a três anos. A Guiné Equatorial, tal como Angola, tem a infra-estrutura de exportação pronta, com carregamentos não só para Espanha mas também para o Chile e os Estados Unidos, mas uma burocracia ineficiente dificulta a atractividade do mercado, embora o aumento da procura e a oportunidade para as grandes companhias petrolíferas se afastarem da Rússia possa motivar melhorias no ambiente empresarial. Midika izany fa hanana hirika hamelomana indray ny famokarana etona matory hikarakarana ireo tsena hafa ao amin'ny Vondrona Eoropeana ao anatin'ny roa na telo taona ho avy [ny firenena]. Efa manana fotodrafitrasa fanondranana vonona toa an'i Angola i Ginea Ekoatorialy, manana fandefasan'entana tsy mankany Espaina ihany fa mankany Chile sy Etazonia ihany koa, fa ny fanjakam-birao tsy mahomby no manakana ny fisarihana ny tsena, na dia eo aza ny fitomboan'ny tinady sy ny hirika ho an'ny orinasan-tsolika goavana hiala amin'i Rosia izay mety hitondra fanatsarana eo amin'ny tontolon'ny fihariana. Ankoatra ireo firenena Lusophone eto Afrika, dia misy ihany koa otrika zotran'etona hafa. Ohatra, tamin'ny Avrily tamin'ity taona ity i Italia, izay firenena fahatelo matanjaka ara-toekarena indrindra ao amin'ny Vondrona Eoropeana, no nahavita fifanarahana tamin'i Alzeria hanafatra etona voajanahary bebe kokoa. Efa mamatsy etona any Eoropa amin’ny alalan’ny fantsona telo ity firenena afrikanina tavaratra ity, ka mankany Italia ny iray. Ny fantsona roa hafa kosa mifandray amin'i Espaina.
https://mg.globalvoices.org/2022/05/20/157670/
Miteraka ady hevitra ara-pitsarana ny fanentanana ara-politika ataon'ireo minisitra Nizeriana
2022-05-20T05:22:19
Unknown
Ny Filohan'i Nizeria Muhammadu Buhari sy ny filoha lefitra Yemi Osinbajo, nandritra ny fampielezan-kevitry ny antoko eo amin'ny fitondrana tamin'ny 16 Janoary 2015. Sary avy amin'i Heinrich-Böll-Stiftung tao amin'ny Wikimedia Commons ( CC BY-SA 2.0 ). Nanambara ampahibemaso ny minisitra lefitry ny fampianarana any Nizeria, Emeka Nwajiuba tamin'ny 27 Aprily fa mikasa ny hametraka ny firotsahany hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena any Nizeria izy. Efatra andro talohan'izay, ny 18 aprily, nanatevin-daharana ny hazakazaka ho filoham-pirenena ihany koa i Chris Ngige, minisitry ny asa sy ny mpiasa. Nividy ny taratasy firotsahana 100.000.000 NGN (eo amin'ny 2.400 dolara eo ho eo) tamin'ny antokon'ny fitondrana, ny All Progressive Congress (APC) i Nwajiuba sy Ngige. Aloan'ireo kandidà mirotsaka hofidiana ny vola hahazoana taratasy firotsahan-kofidiana amidin’ny antoko politika. Na dia amin'ny taona 2023 aza i Nizeria no handrotsa-bato, dia efa nanomboka nifidy ny kandidàny ireo antoko politika. Afaka milatsaka hofidiana ve ny minisitra am-perinasa? Tsy i Nwajiuba sy Ngige irery ihany no minisitra ao amin'ny kabinetra izay nanambara ny fanirian'izy ireo hilatsaka hofidiana. Nanambara ny fikasany hirotsaka hofidiana governora ao amin'ny fanjakana niaviany ao Kogi, any avaratra-atsinanan'i Nizeria ihany koa ny lehiben'ny Fampanoavana ao Nizeria sady Minisitry ny Fitsarana Abubakar Malami. Torak'izany koa ny minisitry ny fitaterana Rotimi Amaechi, izay nanatevin-daharana hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena. This thing where political appointees running for office in Nigeria are refusing to resign 30 days before their primaries, as the electoral act says, is just one of the most interesting ‘developments’ in Nigerian politics to me. — tyro (@DoubleEph) May 2, 2022 Iray amin'ireo ‘fandrosoana’ mahaliana indrindra amin'ny politika Nizeriana ho ahy ity zavatra izay handàvan'ireo olom-boatendry ara-politika mirotsaka hofidiana ao Nizeria hiala 30 andro mialoha ny fifidianana savaranonando, araka ny voalazan'ny lalàm-pifidianana. Ny fizarana faha-84(12) ao amin'ny Lalàna mifehy ny fifidianana ao Nizeria 2022 dia manaisotra an-kitsirano ireo Nizeriana “voatendry ara-politika amin'ny ambaratonga rehetra” — eo an-toerana, fanjakana, na federaly — tsy ho “solontena mifidy na hofidiana amin'ny fivoriambe na kongresin'ny antoko politika rehetra hikendrena hanendrena ireo kandidà amin’ny fifidianana rehetra”. Vokatr'izany, midika izany fa tsy maintsy miala amin'ny toerany ny tompon’andraiki-panjakana rehetra ao amin’ny andrim-panjakana mpanatanteraka alohan’ny hirotsahana hofidiana eto amin’ny firenena. Ny tsy fanaovana izany dia “fanitsakitsahana ny lalàm-pifidianana ary vao mainka mahatonga ny fifidianana savaranonando ho foana sy tsy ara-dalàna”, hoy ny fanamarihan’ny Nigerian Cable, gazety an-jotra iray. Nametra-pialàna ireo olom-boatendry ara-politika maro manao fanentanam-pifidianana eny anivon’ny fanjakana. Natao izany mba hamenoana ny fe-potoana farany 3 Jona, napetraky ny tompon’andraikitra misahana ny fifidianana eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (INEC). Tamin'ny 27 Aprily, nanome baiko ireo minisitry ny governemanta mifandraika amin'izany — Amaechi, Malami, Nwajiuba, ary Ngige ny antokon'ny fitondrana APC— mba hiala amin'ny toerany ao anatin'ny 72 ora mba hanarahana ny lalàna mifehy ny fifidianana. Tsy nisy niala tamin’ny toerany ao amin'ny kabinetra anefa ireo kandidà ireo. Nilaza manokana i Nwajiuba fa “30 andro mialoha ny fifidianana filoham-pirenena araka ny voalazan’ny Lalàm-panorenan’ny Repoblika Federalin’i Nizeria izy vao hametra-pialàna”, hoy ny tatitry ny gazety Vanguard. Niantehitra tamin'ny didim-pitsarana tamin'ny martsa 2022 navoakan'ny Mpitsara (Justice) Evelyn Anyadike ao amin'ny (Fitsarana) Avo Federaly Umuahia, Fanjakan'i Abia, any atsimo atsinanan'i Nizeria ilay minisitra. Nofoanan'ny didim-pitsarana navoakan'i Anyadike ny fizarana faha-84 (12) amin'ny Lalàna momba ny Fifidianana 2022 nasiam-panitsiana ary nanome baiko fa tokony hofafana tsy ho ao anatin'ny lalàm-pifidianana izany. Nohamafisin’ny fitsarana fa ny Fizarana faha-66(1)(f); 107(1)(f); 137(1)(g); ary ny 182(1)(g) amin’ny Lalàmpanorenan’ny taona 1999 dia efa milaza fa ireo tompon’andraiki-panjakana mifaninana amin’ny toerana hofidiana dia afaka “mametra-pialana 30 andro fara fahakeliny mandra-pahatongan’ny datin’ny fifidianana ary ny lalàna hafa izay manery ireo voatendry ireo hametra-pialana na hiala amin’ny toerany amin’ny fotoana rehetra alohan'izany, dia tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana, tsy manan-kery, tsy ara-dalàna, foana ary tsy misy dikany raha toa ka tsy mifanaraka amin'ny fepetra mazava ao amin'ny Lalàm-panorenana,” araka ny tatitra nataon'ny Dataphyte. Nanamafy ny didim-pitsarana ny Lehiben'ny Fampanoavana sady minisitry ny Fitsarana ao Nizeria, Abubakar Malami, fa : “Tsy ao anatin'ny lalànantsika ny fepetra voalazan'ny Fizarana faha-84(12) amin'ny Lalàna momba ny Fifidianana 2022 ary horaisina araka izany.” Breaking @HouseNGR has resolved to appeal the judgment of a Federal High Court Umuahia asking the Attorney-General to delete section 84(12) of the newly passed Electoral Act 2022. — House of Reps NGR (@HouseNGR) March 23, 2022 Vaovao farany: nanapa-kevitra ny hampakatra ny didim-pitsaran'ny Fitsarana Avo Federaly Umuahia ny @HouseNGR izay mangataka amin'ny Lehiben'ny Fampanoavana mba hamafa ny fizarana 84(12) amin'ny Lalàna momba ny Fifidianana 2022 lany vao haingana. Na dia izany aza, samy nampanantena hampakatra ny didim-pitsarana any amin'ny Fitsarana Avo mba hanafoana ny Fizarana faha-84 (12) amin'ny lalàna mifehy ny fifidianana na ny antenimieram-pirenena na ny antenimieran-doholona ao Nizeriana. Ny mety ho fanitsakitsahana ny etika Raha mbola miady hevitra momba ny maha ara-dalàna ny fampielezan-kevitry ny minisitra ny maro, miteraka fanontaniana ara-etika lehibe ihany koa izany. ASUU has been on strike for 72 days & the minister of education has just doled out N100m to buy APC's presidential form. It's been 30days since the bombing of the Kaduna – Abuja train service & kidnap of more than 100 people & the Minister for Transport is running for President — 20.10.2020 (@I_Am_Ilemona) April 27, 2022 Nitokona nandritra ny 72 andro ny ASUU ary vao avy nizara N100m ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena hividianana ny taratasy fangatahana filatsahana ho filoham-pirenena ao amin'ny APC. 30 andro izay no nisian'ny daroka baomba tao amin'ny fiarandalamby Kaduna – Abuja & fakana an-keriny olona maherin'ny 100 sy ny firotsahan'ny minisitry ny Fitaterana ho Filoha. Mandritra izany, rehefa miady amin'ny krizy ara-politika maromaro i Nizeria, anisan'izany ny fitokonana naharitra roa volana ataon'ny Sendika Mpandraharahan'ny Oniversiten'i Nizeria (ASUU) izay nampiato ny fotodrafitrasa fanabeazana ao amin'ny distrika, misy fiantraikany ara-etika maharitra ho an’ny firenena ny fidiran'i Nwajiuba sy Ngige eo amin'ny sehatra politika.
https://mg.globalvoices.org/2022/05/22/157376/
Tsy hanohitra ny fandisoana ny vaovao mandritra ireo fifidianana ho avy ao Kenià ny Twitter sy Facebook
2022-05-22T15:07:05
Unknown
Peta-drindrina ho an'ny fifidianana ao Kenià. Sary an'i Heinrich-Böll-Stiftung , 4 Martsa 2013. (CC BY-SA 2.0) Ao Afrika, ny orinasa media sosialy tahaka ny Twitter sy ny Facebook dia mametraka ho maika kokoa ny famolavolana ireo vokatra vaovao na amin'ny fanitsiana ny tsy mety any anatin'ireo vokatra efa misy fa tsy amin'ny famolavolana paikady sy fitaovana feno hiadiana amin'ny vaovao mamotika sy diso, zaraina avy amin'ireo vovonana media sosialy mandritra ireo fifidianana demokratika. Tamin'ny 2020, Nu Wexler, tomponandraikitra taloha an'ny ekipam-pifandraisana ara-politika tao amin'ny Twitter, no namaritra ireo fifidianana tao Etazonia ho “ the Super Bowl” . Etsy ankilany, Frances Haugen, ilay mpiampanga ao amin'ny Facebook, nanao tslian-tsofina hoe tsy ampy fanarahamaso momba ny fiarovana ilay vovonana any amin'ireo tsena tsy miteny anglisy , anisan'izany i Afrika. Fahamalinana ve ny mihevitra fa ny fifidianana any amin'ny faritra atsimon'ny tany dia ampiasaina fotsiny ho toy ny kianja fanandramana ho an'ireo orinasa media sosialy mba hitsapàna ireo fitaovana fandisoana vaovao ? Taorian'ny tsy nahavitana nanakana ny fitsabahan'ny vahiny, tamin'ny alàlan'ny fandisoana vaovao narindra, avy amin'ny fisarihana ireo fifidianana amerikana tamin'ny 2016, nanomana sy namolavola fandraisana andraikitra mahomby sy fitaovana nomerika ny Facebook sy ny Twitter mba hiadiana amin'ireo vaovao fako sy mba hizarana ampahibemaso ny drafitr'izy ireo talohan'ny fifidianana tamin'ny 2020. Manoloana izany, azo heverina fa mety hisy fomba mitovitovy amin'izay no ho atao mba hanafoanana ireo vaovao diso nokendrena, satria nisy tranga iray mitovy tamin'izany nitranga nandritra ny fifidianana keniana tamin'ny 2016 . Kasaina ho atao amin'ny 9 Aogositra 2022 ny fifidianana manaraka ao Kenià. Saingy na ny Facebook na ny Twitter dia samy tsy nanambara ampahibemaso paikady iray manoritsoritra hoe ahoana no fomba hiadian'izy ireo amin'ny vaovao diso sy ny fandisoana vaovao mandritra ny fifidianana. Efa mitombo sahady ny fandisoana vaovao mialoha ireo fifidianana Malaza amin'ny fihanaky ny fandisoana vaovao amin'ny alàlan'ireo vovonana media sosialy ny fifidianana ao Kenià. Nandritra ny fifidianana tamin'ny 2017, ireo boto Twitters no nameno ny ampahefatr'ireo feo mpitaona tao amin'ny Twitter izay ny tanjona voalohany dia ny fanelezana ireo fitantaràna ratsy mikasika ireo olana goavana, ireo kandidà politika ary ireo tsy mety rehetra hita amin'ny fifidianana. Tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nizara lahatsary iray teo amin'ny Twitter narahan'ny teny fototra #Railathebetrayer ireo blaogera avy amin'ny ankolafy misy an'i William Ruto , filoha lefitra Keniana sady kandidà mpifanandrina ho filoham-pirenena, izay nitaona sy namily ny resadresaka teo amin'ilay vovonana media sosialy. Ny tanjon'ilay fampielezan-kevitra dia ny hampiboridana an'i Raila Odinga, kandidà lehibe iray, izay voalaza fa namadika an'ireo mpanao politika hafa nandritra ny nanaovany raharaha politika. Miaina anaty fihoaram-pefy sahady ny fifidianana ho avy ao Kenià raha toa ireo kandidà ara-politika mirotsaka ao anatin'ireo fiampangàna mahery vaika. Fanampin'izay, efa mitombo be izaitsizy sahady ireo fampielezankevitra fandisoana vaovao eo amin'ny Facebook sy Twitter, tsy misy fitaovana sahaza afaka hampitsaharana azy ireny. Voalazan'ny fanadihadiana nataon'ny Reuters Institute Digital News tamin'ny taona 2021 fa ny 75% n'ireo mpanjifa vaovao ao Kenià dia dia mahita fa sarotra ny hanavaka ireo vaovao tena izy sy diso aty anaty tambajotra. Ary koa, fantatra fa mihanaka haingana avo telo heny ny fndisoana vaovao ara-politika , miohatra amin'ireo endrika fandisoana vaovao hafa rehetra eny anatin'ireo vovonana media sosialy. Mampiahiahy io ho an'ireo olom-pirenena, satria ireo mpanao politika sy ireo mpitarikevitra avy any ivelany dia hampiasa ho fitaovam-piadiany ireo vovonana media sosialy ireo mba hanosehana ireo fitantarana mamotika izay hanimba ny fahamendrehan'ny fifidianana ao Kenià. Voafetra ny fiantraikan'ireo mpanamarina tranga manoloana ny indostria miroborobon'ny fandisoana vaovao Ny taona 2019, nofaritan'ny Facebook ny fomba niomanany ho an'ireo ifidianana ao Afrika , anisany amin'izany ny fiarahamiasa amin'ireo mpanaramaso ny zava-mitranga any an-toerana, ny fanamafisana ny fahaiza-mamaky teny nomerika, ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena sy ny fanaovana ho mangarahara ireo dokambarotra politika. Tamin'ny 22 Martsa 2022, nilaza ilay orinasa media sosialy fa, mba hiarovana ny fahamarinan'ireo fifidianana sy hampitomboana ny mangarahara, dia hohamarininy ireo mpanao dokambarotra politika mialohan'ny handefasana ireo dokambarotra. Ary koa, homeny fidirana ny daholobe ho ao amin'ny tranombokiny mikasika ny dokambarotra mba hahitan'ny rehetra ny vola lany tamin'ilay dokambarotra politika sy izay nandoa izany. Tsy hitondra vokatra goavana ity fomba fanao mahazatra nampiasain'ny vovonana media sosialy marobe ity, mba hamahàna ireo fanamby amin'ny fandisoana vaovao mandritra ny fifidianana, any amin'ireo firenena toa an'i Kenià. Ananan'i Kenià ny orinasa tsara lamina misahana ny fandisoana vaovao , izay miroborobo vokatr'ireo tranga saropady toy ny fifidianana, ny adihevitra mikasika ny volavolan-dalàna, sy ny sisa mba hahazoana tombony. Manakarama mpitarikevitra ao amin'ny media sosialy ireo mpanao politika Keniàna , izay mamorona sarintsarina kaonty manana   mpanjohy marobe, mba hampiasa ny kaontin'izy ireo hamiliana ny lahatenin'ny olom-pirenena ho amin'ny tombontsoan'izy ireo sy hikendrena ireo tanora amin'ny  alàlan'ireo fampielezankevitra fandisoana ny vaovao. Nandritra ny adihevitra momba ilay Building Bridges Initiative malaza – dingana iray mikasika ny fanitsiana ny lalàm-panorenana Keniana – nisy mpitarikevitra tao amin'ny Twitter izay voakarama hanao fanentanana, tsy hoe fotsiny nitaona ny hevitry ny daholobe , fa nanala baraka ihany koa ireo Keniana mpikatroka malaza, ireo mpanao gazety sy mpitsara izay nanohitra ilay hetsika. Araka ny filazana ara-drariny nataon'ny Talen'ny Advox, Nanjala Nyabola, ilay Keniàna mpikatroka ho an'ny zon'olombelona, tamin'ny Global Voices, hoe “Ao anatin'ny vanimpotoana izay hitobahan'ny vola be eo amin'ny sehatra politika isika ary ny ampahany betsaka amin'io vola io dia ahodina mankany amin'ireo izay mitranga ao anaty tambajotra sy manandrana manodina ny hevitra ara-politikan'ny olona ao anaty tambajotra, mba handehanana mankany amin'ny tanjon'ireo olona manana ny fahefana, mahay manindry…” Noho izany, tsy mahomby ho an'ny Twitter sy Facebook ny hametraka ny andraikitra fanalefahana ny fandisoana vaovao politika ho any an-tànan'ireo tsy miankina mpanamarina ny zavamisy. Miatrika fanamby roa lehibe ireo mpiara-miasa amin'ny fanamarinana ny zava-misy : tsy manana fahafahana sy fotoana izy ireo hijerena ireo votoaty be dia be eo amin'ny vovonana media sosialy, ary ny votoaty manohintohina izay mety handrahona ny fahamarinan'ny fifidianana dia tsy ho laharam-pahamehana amin'ireo vovonana media sosialy raha toa tsy misafidy ny hanao izany ireo mpanaramaso ny zava-misy. Ireo mpiaramiasa mpanaramaso ny zava-misy amin'ireo orinasa media sosialy sasany manerana an'i Afrika dia nanaiky fa na dia iteraka fahasamihafàna kely aza ny asan'izy ireo, ny fiantraikany dia tena voafetra . Raha ny tena izy, tsy manana finiavana hampiasa vola sy hampiasa an'ireo loharano rehetra ireo media sosialy mba hiarovana ny fahamarinana ara-pifidianana ao Kenià. Ny tsy fahaizan'ireo vovonana media sosialy naka lesona tamin’ ny fomba tsy ara-dalàna nanangonan'ny Cambridge Analytica ireo angon-dakitra avy amin'ny Facebook mba hanaovana an'ireo fitantarana ratsy sy hitarihan-kevitra tamin'ny fifidianana Keniana tamin'ny taona 2017 dia mitaky ezaka be avy amin'ireo vovonana ireo eo amin'ny fikatsahany hiady amin'ny fandisoana vaovao ao Afrika. Ny Facebook sy ny Twitter dia tokony hamaritra stratejia iray sy hampiasa vola amin'ny famahàna ny olana ka hitady izay fomba “ tsy hitehirizan “ny algoritman-dry zareo sy hamafàna ny fahafahaa manamafy sy mampitombo ireo votoatim-pankahalàna sy diso. Hampihena be ny fahafahan'ireo mpanao politika Keniàna tsy ho afaka hanely ireo votoaty izay mampisara-bazana vita anatina tsindry tokana monja izany.
https://mg.globalvoices.org/2022/05/16/157606/
Angola: Tandindomin-doza ny fikatrohana amin'ny taom-pifidianana
2022-05-16T04:43:58
Unknown
Miha-tandindonin-doza hatrany ny fahalalahana maneho hevitra ao Angola volana vitsivitsy mialoha ny volana aogositra hanaovana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena vaovao. Araka ny tatitry ny Departemantam-panjakana Amerikana momba ny Zon'Olombelona 2021, nivoaka tamin'ny 2022, miaina fotoana voamariky ny famonoana olona tsy ara-dalàna na tsy ara-drariny, ny fanjavonana an-terisetra, ny fitondrana tsy araka ny maha-olombelona ary ny famerana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety i Angola. Tsara homarihina ihany koa fa taorian'ny hetsika nisesy nataon'ireo mpikatroka sy antokon'ny fanoherana manohitra ny lalàm-pifidianana vaovao, dia nisy fihetsiketsehana vaovao indray tao Luanda renivohitra. Na izany aza, toy ny efa niverimberina tamin'ny fotoana hafa, noraran'ny polisy ny fihetsiketsehana tamin'ny 9 Aprily ary efa nosamborina ny sasany tamin'ireo mpikatroka. Dde ontem q circula uma informação dando conta de mais uma aberração da máquina trituradora do @MPLAoficial : a detenção, à margem de uma manifestação da Laurinda Gouveia e DO SEU BEBÉ DE 6 MESES! A PNA n desmente essa detenção pelo q devemos assumir q é (sur)REAL! @jlprdeangola pic.twitter.com/MPol4OuUjc — Luaty Beirão (@LuatyBeirao) April 11, 2022 Hatramin'ny omaly, nivezivezy ny vaovao tamin’ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny @MPLAoficial: ny fisamborana an'i Laurinda Gouveia sy ny ZANANY 6 VOLANA nandritra ny fihetsiketsehana! Tsy mandà izany fisamborana izany ny PNA ka tokony hihevitra isika fa TENA nisy io! Avy amin'ny antoko mpanohitra indrindra ny iray amin'ireo fanehoan-kevitra voalohany nanameloka ny fihazonana, ny Vondrona Demaokratika (BD), izay nilaza hoe : Estes ativistas cívicos foram presos, porque pretendiam dar início à uma manifestação contra a Indra (empresa selecionada para gerir o processo eleitoral) e pela libertação dos presos políticos, no dia 09 de abril, apesar desta ter sido convocada nos termos da Constituição e da Lei da Liberdade de Manifestação e as autoridades competentes terem sido atempadamente notificadas do facto. Nosamborina ireo mpikatroka sivily ireo satria nikasa hanao fihetsiketsehana hanoherana ny Indra (ilay orinasa voafidy hitantana ny zotram-pifidianana) sy ny famotsorana ireo gadra politika tamin'ny 9 aprily, na dia nanaraka ny fepetra voalazan'ny lalàmpanorenana sy ny lalàna momba ny fahalalahana maneho hevitra aza izany, ary na dia efa nampahafantarina ara-potoana aza ny manampahefana mahefa. Araka ny loharanom-baovao isankarazany, nosamborina tsy ara-dalàna ireo mpanao fihetsiketsehana ary notanana am-ponja tsy manana zo hiaro tena araka ny voalazan'ny lalàna. Nentina tany amin'ny fitsarana andro vitsivitsy taty aoriana ireo mpikatroka miisa 22, izay notsaraina vetivety, araka ny nasehon'ilay mpikaroka momba ny Zon'Olombelona Zenaida Machado: Angolan police hits a new low, in a country where the human rights record progress moves on step forward, then five backwards. THIS is the type of environment and police behaviour that we don't want to see on a election year. https://t.co/0tzZIxtTTM — Zenaida Machado (@zenaidamz) April 11, 2022 Nahazo isa ambany ny polisy Angoley, ao amin'ny firenena iray izay nahitana fandrosoana teo amin'ny fandraketana (fanajana) ny zon'olombelona, ary mihemotra laharana dimy. IZANY no karazana tontolo iainana sy fihetsika ataon’ny polisy tsy tiantsika ho hita amin’ny taom-pifidianana. Mbola teny amin’ny fitsarana, nilaza ny mpisolovava fa nalain’ny polisy baraka izy rehefa niezaka nifandray tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Noho izany, ny 14 aprily, nivoaka ny sazy izay milaza fa tanora mpikatroka roa no voasazy handoa onitra 40 andro sy 60.000 kwanzas (130 euros) saram-pitsarana noho ny heloka bevava tamin’ny tsy fankatoavana. Noafahana madiodio noho ny tsy fisian’ny porofo ireo voampanga miisa 20 ambiny. Na izany aza, nalahelo i Donito Carlos, mpitondra tenin'ny mpikarakara ny fihetsiketsehana, fa voasazy handoa onitra noho ny tsy fankatoavana ireo tovolahy roa ireo. Ficamos tristes quando vemos um juiz altamente instrumentalizado pelo regime maquiavélico a condenar os dois. Sabemos que são resistentes da liberdade de expressão. Malahelo izahay rehefa mahita mpitsara tena ampiasain'ny fitondrana lomorina manameloka azy ireo. Fantatsika fa mpanohitra ny fahalalahana maneho hevitra izy ireo. Nampitandrina ihany koa ity mpikatroka ity fa tsy mila fampitahorana ireo tanora ary nambarany fa mbola hitohy ny hetsika fanafahana ireo gadra politika.
https://mg.globalvoices.org/2022/05/19/157609/
Nanamarika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tany Mozambika ny tahotra sy ny tsy fandriampahalemana
2022-05-19T05:35:28
Unknown
Ankoatra ny fiarovana ny mpanao gazety, dia mbola misy tolona iray hafa amin'ny tolo-kevitry ny mpanao lalàna vao haingana hanitsiana ny lalànan'ny asa fanaovan-gazety ankehitriny. Sary: Giovana Fleck/Global Voices Tamin'ny fankalazana ny Andro Erantanin’ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety, izay nankalazaina ny 3 Mey dia nanaitra ny saina ireo mpanao gazety amin'ny tokony hanajana ny zo amin’ny fahazoana vaovao sy hahafantatra vaovao amin’ny fomba mahaleo tena, nanameloka ny famoronana lalàna mety hanakana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ary nitaky ny filàna fiarovana ho an’ny mpanao gazety. Araka ny voalazan’ny filohan'ny MISA Mozambika, sampan-draharaham-paritra miaro ny fampitam-baovao aty Afrika, hoe: The only way to put an end to crimes against journalists is to ensure that those who commit these crimes are not rewarded through impunity. It is inconceivable that 19 months after his disappearance, the national authorities have failed to show the steps they have already taken towards clarifying the Mbaruco case. Ny hany fomba hampitsaharana ny heloka bevava atao amin'ny mpanao gazety dia ny fahazoana antoka fa tsy hahazo valisoa ho tsimatimanota izay manao izany heloka izany . Tsy azo eritreretina fa 19 volana taorian’ny nanjavonany, tsy hita ny dingana efa noraisin'ny tompon’andraikim-pirenena tamin’ny fanazavana ny raharaha Mbaruco . Araka ny filazan'ny Reporters Sans Frontières, any amin’ny laharana faha 116 amin'ny 180 no misy an'i Mozambika, araka ny tombana 2022. Mampiseho fihintsanana toerana valo izany raha oharina tamin’ny taona 2021. Nanamarika ny fikambanana fa tokony hiantohan’ny lalàm-panorenana sy ny lalàna momba ny asa fanaovan-gazety sy ny zo hahazo vaovao ny fahalalahana sy ny fahaleovanten'ny asa fanaovan-gazety. Saingy zara raha ampiharina ilay lalàna, ao anatin'ny tontolo voamariky ny fitomboan'ny fitondrana jadona sy ny fihasarotan'ny fahazoana vaovao. Talohan'io andro io, ny 11 aprily 2022, nankalaza ny andron'ny mpanao gazety i Mozambika, daty noforonina ho fanomezam-boninahitra ireo matihanina amin'ny fampitam-baovao ao amin'ny firenena. Tao anatin'ny hafatry ny fetibe sy fankasitrahana ny asa vitan’ny mpanao gazety, voamariky haketrahana noho ny ady mitam-piadiana any avaratr'i Mozambika ny andro. Hatramin’ny nipoahan'ny ady tao Cabo Delgado tamin'ny taona 2017, maromaro ny tranga fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahazoana vaovao notaterina tsy tapaka tao amin'ny firenena, indrindra fa ny fanjavonan’ireo mpanao gazety na fandavana ny fanomezana vaovao heverina ho tombontsoam-bahoaka. Tranga miavaka ny tsy mbola namantarana ny toerana misy an'i Ibrahimo Mbaruco, mpanao gazety, izay nanjavona tamin'ny taona 2020 raha niasa tany akaikin'ny faritry ny ady tany avaratr'i Mozambika. Nanjavona ilay mpanao gazety tamin'ny 7 Aprily tamin'io taona io, rehefa voahodidin'ny miaramila, araka ny nolazainy tamin'ny fianakaviany. Nandritra izany fotoana izany, roa taona taty aoriana, mangina ny manampahefana, araka ny nolazain’ny MISA-Mozambika, tambajotram-paritra miaro ny mpanao gazety hoe: Muito pouco se sabe sobre o que aconteceu e muito menos sobre as investigações. Apesar de todas as iniciativas que nós tivémos de contacto com as autoridades governamentais, com as autoridades da investigação criminal, com a Procuradoria da República, não obtivemos qualquer informação até este momento. Kely ny fantatra momba ny zava-nitranga ary vao mainka kely aza ny momba ny fanadihadiana. Tsy nahazo vaovao izahay hatramin'izao na dia teo aza ny hetsika rehetra nataonay hifandraisana tamin'ny manampahefana ao amin'ny governemanta, ny manampahefana mpanao famotorana momba ny heloka bevava ary ny Biraon’ny Fampanoavana. “Surrounded by soldiers…” These are the last words heard from Mozambican journalist Ibraimo Abú Mbaruco before he went missing in Cabo Delgado, two years ago today. We continue to ask: #WhereIsIbraimo ? #IbraimoMbaruco https://t.co/gHY1Ow9ize pic.twitter.com/JlASAIHczL — Committee to Protect Journalists (@pressfreedom) April 7, 2022 “Voahodidina miaramila…” Ireo no teny farany re avy amin'ilay mpanao gazety Mozambikana Ibraimo Abú Mbaruco talohan'ny nanjavonany tao Cabo Delgado, roa taona lasa izay androany. Manohy manontany izahay hoe: #AizaIbraimo ? Tamin'io fotoana io, raha tsy niresaka ny raharaha Ibrahimo Mbaruco, niresaka momba ny andraikitry ny mpanao gazety amin'ny ady misy ao amin'ny firenena ny filohan'ny Repoblika ary nilaza hoe: Os nosso profissionais de Comunicação Social, com a devida responsabilidade e sentido patriótico têm feito conhecer à nação moçambicana e ao mundo e com elevado nível de objectividade as notícias sobre as acções das nossas briosas Forças de Defesa e Segurança (FDS), contra o terrorismo e extremismo violento em alguns distritos da província de Cabo Delgado. Ireo matihanina amin'ny Fampitam-baovao, amin’ny andraikitra sahaniny sy ny fitiavan-tanindrazana, dia nampahafantatra amin'ny fomba matihanina amin'ny firenena Mozambikana sy izao tontolo izao, ny vaovaon'ny hetsika ataon'ireo maherifon’ny Tafika sy ny Fiarovam-pirenena (FDS), manohitra ny fampihorohoroana sy ny ekstremisma mahery setra any amin'ny distrika sasany ao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado. Ankoatra ny fiarovana ny mpanao gazety, sarangan’ady hafa indray no mitranga eo amin’ny raharaha vao haingana momba ny tolo-kevitry ny mpanao lalàna mikasika ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety amin'izao fotoana. Mihevitra izany tolo-kevitra izany ho fandrahonana ny zo hahazo vaovao ireo mpanao gazety. This is an effort by the Government to hinder the work of journalists. If Parliament approves the two laws without the amendments suggested by civil society, it will be a great affront to freedom of expression and of the press in Mozambique. Ezaka ataon’ny Fitondrana hanakatsakanana ny asan’ny mpanao gazety izany. Ho tena fanimbazimbana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny asa fanaovan-gazety ao Mozambika ireo lalàna roa ireo raha eken'ny Parlemanta ka tsy misy ny fanitsiana naroson'ny fiarahamonim-pirenena. Olana iray hafa atrehin'ireo matihanina amin'ny fampitambaovao ao Mozambika ny fanorisorenana ara-nofo eny amin'ny toeram-piasana, izay nilazan'ny mpanao gazety sasany fa mampidi-doza ny asan'ny vehivavy io fomba fanao io, hoy ilay mpanao gazety Cléusia Chirindza. Ho azy, “(…) any amin’ny efitra famoaham-baovao sasany, tsy omena lanja araka ny tokony ho izy ny mpanao gazety, indrindra ho an’ireo izay vao manomboka manao ny asany”, hoy izy nanampy .
https://mg.globalvoices.org/2022/06/03/157938/
Niova fomba fanjifàna hira ny Afrikana ary miditra amin'ireo goavan'ny fandefasankira iraisampirenena aza
2022-06-03T05:30:02
Unknown
Saripika avy amin'i Muhammadtaha Ibrahim Ma'aji . Nampiasaina araka ny Unsplash License Taorian'ny fironana maneran-tany , tsy nitsahatra nijotso ny fivarotana kapila mangilatra (CD) amin'ny tsena telo lehibe ato amin'ny kaontinanta Afrikana ahitana an'i Afrika Atsimo, Kenya, ary Nizeria nandritra ny roapolo taona farany noho ny fialan'ny mpankafy mozika amin'ny kapila hiditra ho amin'ny fitrohana ankihy. Afrikanina maro kokoa no mahazo fidirana amin'ny aterineto satria lasa miparitaka eny rehetra eny ny finday avo lenta, izay nandrisika famoahana zava-baovao eo amin'ny sehatry ny teknolojia ao anatin'ny tsena ara-bolan'ny teknolojia sy ny sehatrasan'ny fampitam-baovao. Amin'ny famoahana ireny zava-baovao ireny dia lasa mora takatra kokoa ao amin'ny tsena eo an-toerana ny hira ary mahita ny mety hisian'ny firohotana vaovao any amin'ny faritra izay hita ho tsy misy dikany taloha teo amin'ny tsenan'ny mozika iraisam-pirenena ireo sehatra isan-karazany. Ity dia ampahany voalohany amin'ny andian-dahatsoratra misy fizarana roa mandalina ny fomba fanjifàna ny hira eto Afrika. Araka ny voalazan'ny Statista, vinavinaina hahatratra 297 tapitrisa dolara amin'ity taona 2022 ity ny vola miditra amin'ny sehatry ny firohotan-kira ary tsinjovina hanana mpisera miisa 55,8 tapitrisa eo ho eo amin'ny taona 2026 i Afrika. Tamin'ny faran'ny taona 2020, nahatratra 495 tapitrisa ny famandrihana findain'ny kaontinanta ka 46 isanjaton'ny mponina ao amin'ny faritra izany — fitomboana efa ho 20 tapitrisa raha ataha ny tamin'ny taona 2019. Saingy tsy nisy ny hetsika anjotra raha tsy zaraina ara-drariny ny sakatsakana miandry azy. Mbola tafahoatra ny vidin'ny mega(data) am-pinday ho an'ny maro. Nahatsikaritra ny tatitra nataon'ny Alliance for Affordable Internet (A4AI) fa,  raha mifototra amin'ny fidiram-bolan'izy ireo, ny mpanjifa aty amin'ny firenena Afrikana no mandoa ny tahan'ny sara ambony indrindra eran-tany amin'ny fidirana aterineto. Niteraka fifanandrinana izany teo amin'ireo orinasam-pifandraisan-davitra handrombaka ny tsenan'i Afrika, noho ny fifaninanana hanova paikady hifanaraka amin'ny fivoaran'ny tsena. Miditra Spotify Ankoatra ny vidin'ny mega, tabatabain'ireo mpanakanto eran-tany ny maodelim-bola aloa lafo loatra ampiharin'ny goavam-be manerantany fandefasam-peo sy sary be mpisera toy ny Spotify. Sosohan'ny tsy fahafahan'izy ireo miady laharana ho hita tabilao amin'ny sehatra manerantany izany sy ny finiavan'ny maro amin'ny mpanakanto sy ny mpamorona te-hifehy tanteraka ny fitsinjarana ny hira sy ny amboaram-bokatra ka namoronany efitrano hametrahana sehatra fandefasan-kira afrikanina tian-kiroborobo. Tamin'ny taona 2018 ny Spotify, mpisava lalana amin'ny fandefasan-kira anjotra ary azo inoana fa ny sehatra streaming (fandefasan-kira na horonantsary) malaza indrindra eran'izao tontolo izao, no niitatra tany amin'ny firenena afrikanina maherin'ny 40 , ka avy amin'izany no nanomezany safidy fanampiny fandefasan-kira ho an'ny mponina tanora indrindra eto Afrika. Na izany aza, efa manomboka mihantsy ny fanjakazakan'ny Spotify ao amin'ny tsenany ireo aingam-pihariana (startups) avy eto Afrika. Boomplay sy Mdundo ireo sehatra roa izay lasa mpifaninana mahery vaika manana fitomboana mahatalanjona tato anatin'ny taona vitsivitsy. Amin'ny fananany mpisera mavitrika 60 tapitrisa , Boomplay no serivisy fandefasan-kira malaza indrindra eto Afrika. Mitarika amin'ireo mpihazakazaka mifanety, iray amin'ireo andiam-pandefasan-kira nitombo teto an-toerana sady seha-botoaty manolotra safidy hafa ankoatra ireo maodelim-pandefasan-kira anaovam-pangatahana manerantany. Raha jerena amin'ny paikadin'izy ireo, dia mora ny mahita ny antony andresen'ny orinasa Shinoa, mifantoka amin'i Afrika, ireo goavam-ben'ny fandefasan-kira manerantany toy ny Spotify sy ny Apple Music mba ho lasa safidy tsara indrindra ho an'ny kaontinanta. Efa voapetraka mialoha amin'ireo finday avo lenta amidin'ny Transsion, mpanamboatra ny Tecno, Infinix ary itel — ireo marika finday be mpividy indrindra aty Afrika — ny Boomplay App. Natomboka tamin'ny taona 2013 ny Mdundo ary manolotra hira an-tapitrisany maro azo alaina maimaim-poana, indrindra fa ny avy aty Afrika. Manana katalaogin-kira manerantany azo ampiasaina amin'ny alàlan'ny maodely freemium sy mifototra amin'ny famandrihana ihany koa izy. Ny loharanom-bolany voalohany dia ny dokambarotra amin'ny alàlan'ny soratra miserana sy miraikitra amin'ny rakikirany. Manana maodely ara-bola tsy manam-paharoa, mifantoka amin'ny artista ny Mdundo . Ireo mpanakanto manao sonia(m-pifanarahana) amin'ny sehatra dia mandray ny atsasaky ny vola azo avy amin'ny dokambarotra tao amin'ny hirany. Voaporofo fa nahasarika mpanakanto Afrikana izany, satria mpitendry mozika maherin'ny 80.000 no nisoratra anarana tao amin'ny orinasa, namorona katalaogin-kira 1,5 tapitrisa araka ny lazain'ny Quartz Africa . Nandritra ny telovolana farany tamin'ny taona 2021, nanambara fisongàna 22 isanjato amin'ny isan'ny mpisera ny serivisy fandefasan-kira pan-Afrikana, nahatratra mpisera 20 tapitrisa raha 16,3 tapitrisa izany herintaona talohan'io. Na dia mbola tsy mahasarika ny orinasa misandrahaka maneran-tany aza ny otrika fidiram-bola ao amin'ny kaontinanta, dia hamokatra ny ankamaroan'ny mpamandrika hira ao anatin'ny folo taona ho avy ny faritra. Azo heverina fa mety haka ny ampahany betsaka indrindra amin'ny tonom-pizarankira amin'ny sehatra manerantany ireo mpisehatra eo an-toerana izay namboly fifandraisana lalindalina kokoa tamin'ny sehatrasa, ny mpanakanto, ny vondrom-piarahamonina an-kira ary ny haino-vaky-jery.
https://mg.globalvoices.org/2022/05/12/157545/
Fanombohana ny tetikasa tantara an-tsary voalohany ho an'ny firenena Afrikana miteny Portiogey
2022-05-12T04:33:20
Unknown
Fifaninanana tantara an-tsary , Sary nahazoana alalana avy amin'ny tranokalan'ny fikambanana. Hatramin'ny 8 Aprily 2022, natomboky ny firenena Afrikana miteny Portiogey ny hetsika mikendry hampiroborobo ny fahaiza-mamoron'ny mpanao tantara an-tsary any Mozambika, Angola ary Cap Vert. Antsoina hoe BDALOP ity fanentanana ity ary mikatsaka ny hanome fahafahana ho an’ireo mpamorona tantara an-tsary hanatanterahany ny asany amin'ny fomba maharitra, ahitana antoka hidirana amin'ny tsena iraisampirenena. Tany Maputo, Mozambika no nambara ny fanentanana ary hamela ireo mpanakanto hanana soa fanararaotra bebe kokoa avy amin’ity fandaharan'asa ity ary hahazo fandrisihana amin'ny fomakarana ara-javakanto. Ahitana tsenam-boky any Brezila sy Portiogaly ihany koa ny hetsika , ary kinendry ny handraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny sehatry ny kolontsaina sy ampiasaina hanatsarana ny tantara an-tsary. A BDPALOP decorrerá entre 2022 e 2024, e surge da necessidade de diversificar a actuação dos sectores das indústrias culturais e criativas nos países de intervenção e criar mais empregos formais na área das publicações de banda desenhada. Pretende igualmente incentivar mais crianças e jovens dos PALOP a iniciar a sua jornada na leitura, promovendo desse modo a literacia. Haharitra eo anelanelan'ny taona 2022 sy 2024 ny BDPALOP, ary teraka avy amin’ny filàna fanamaroana ny fampivoarana ny sehatry ny kolontsaina sy ny famoronana any amin'ireo firenena idirany an-tsehatra sy hananganana asa ara-dalàna kokoa amin'ny alàlan'ny famoahana boky tantara an-tsary. Tanjona ihany koa ny handrisika ankizy sy tanora maro kokoa avy amin'ny firenena Afrikana mampiasa ny teny Portiogey ofisialy mba hanombohan'izy ireo hamaky izany, izay hikatsahana ny fampiroboroboana ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Any amin'ny famaranana, asa famoronan-tantara mivady amin'ny fandravahana miisa sivy no hahazo ny fanohanan'ny matihanina eo amin'ny sehatra. Marihina fa ity hetsika ity dia mampiroborobo ny politikan’ny miralenta amin’ny hetsika rehetra ataony, ka miantoka fa hahazo anjara 50% amin'izany ny vehivavy. Tsidiho ny vavahadin'ny tetikasa raha hisoratra anarana.
https://mg.globalvoices.org/2022/05/11/157547/
KUGOMA: Fitsangatsanganana manavatsava ny tsenaben'ny sarimihetsika lehibe indrindra any Mozambika
2022-05-11T04:53:49
Unknown
Hitondra ny fihetseham-pon'ny sarimihetsika vokarin'ny Afrikana manokana amin'ny efijery lehibe ny KUGOMA amin'ity taona ity. Sary : Doka/KUGOMA (Nahazoana alalana) Hetsika fanao isan-taona any Mozambika ny tsenaben'ny Sarimihetsika KUGOMA , izay natao nandritra ny 10 taona mahery tao an-drenivohitra Maputo, ho fampisehoana ireo zavakanto an-tsehatra natao tany Mozambika, sy tany amin’ireo firenena miteny Portiogey. Amin'ny andiany faha-13 ny KUGOMA amin’ity taona 2022 ity, ny 15 aprily no nisokatra ny fisoratana anarana , ary hifarana ny 15 Jona. Araka ny nolazain'ny mpikarakara ny hetsika hoe: KUGOMA 13ª edição aceita curtas-metragens de realizadores moçambicanos e africanos, tanto no continente como nas diásporas. Todos os géneros são bem-vindos – documentários, ficção e ensaios, ambos ao vivo ou animados, até 30 minutos de duração, submetidos através da FilmFreeway. Devido às restrições COVID-19 em curso, introduzimos uma edição híbrida com eventos online e no local, em Maputo e para o público online em todo o lado. Os realizadores/produtores que submetem os seus filmes devem assinar autorização para exibições online, durante a 13ª semana KUGOMA. Mandray ny horonantsary fohy avy amin’ireo tale Mozambikana sy Afrikanina, na eto amin’ny kaontinanta na any am-pielezana, ny KUGOMA andiany faha-13. Raisina an-tanandroa ny karazana rehetra – fanadihadiana, tantara foronina ary famoaboasan-kevitra, na mivantana na an-tsary, hatramin'ny 30 minitra ny halavany, alefa amin'ny alàlan'ny FilmFreeway. Noho ny fitohizan’ny fepetra fameran’ny COVID-19, nampiditra andiany hybrida ahitana ireo hetsika anjotra sy an-toerana ao Maputo sy ho an'ny mpijery anjotra na aiza na aiza izahay. Tsy maintsy manao sonia ny fanomezan-dàlana hanao fampirantiana anjotra mandritra ny herinandron'ny KUGOMA faha-13 ireo tale/mpamokatra sarimihetsika izay mandefa ny sarimihetsiny. Amin'ity 2022 ity, hanana loka roa lehibe ny andiany faha-13: ny Lokan'ny Mpanatontosa Filma Mozambikana – atolotry ny Associação dos Museus de Cinema de Moçambique sy ny Loka PALOP-TL Upcoming Filmmaker Award — iarahana miasa amin'ny PALOP-TL Film sy ny Audiovisual Network. Araka ny azonao vakiana ao amin'ny Pejiny Facebook, aingam-panahy avy amin'ny traikefan'ny fetibe sy fampirantiana hafa ny KUGOMA, ny tantaran'ny fandefasana an-tsary amin’ny finday Kuxa Kanema — noforonin'ny Cinemarena sy ny fikambanana hafa  indray — tao amin'ny Dockanema — fetibe malaza iraisam-pirenena izay nikatona — dia tohizanay eto Mozambika ny topimaso amin’ny fampirantiana ny sarimihetsika. Ankoatra izany, manolotra endrika hafa amin'ny fanatontosana sarimihetsika ny fetibe, izay sady ahitana singa ara-dalàna (efitrano fandefasana sarimihetsika) sy tsy ara-dalàna (ankalamanjana eo amin'ny manodidina) ary mitondra ny sarimihetsika ho akaiky kokoa ny mponina ao amin'ny manodidina ny toeram-ponenany sy ho an’ny mpijery tanora kokoa, mahasahana ireo karazana fanatontosana sarimihetsika maro kokoa, atambatry ny endrika miavaka amin'ny sarimihetsika fohy, mahatonga ny zavakanto hahatratra mponina midadasika kokoa Fantatra ihany koa fa ny KUGOMA amin'ity taona ity dia hitondra eny amin'ny efijery lehibe ny fihetseham-pon'ny sarimihetsika vokarin'ny Afrikana indrindra indrindra, ahitana fisarihana mpijery vaovao sy ny fanomezana mari-pankasitrahana ireo tanora matihanina avy amin'ny firenena Afrikana miteny Portiogey (PALOP). Hiaraka amin'ny hetsika hanatsarana ny vakoka sy ny fiofanana amin'ny haino aman-jery, amin'ny sehatra matihanina isan-karazany ny hetsika toy izany, hoy ny fikambanana nanasongadina .
https://mg.globalvoices.org/2022/05/07/157562/
Pôlitisiàna Nizeriàna mifantoka amin'ny fampielezankevitra fifidianana, manadino ireo mpampianatra mitokona eny amin'ny anjerimanontolo
2022-05-07T15:48:10
Unknown
Lanonana fanolorana diplaoma tao amin'ny anjerimanontolo iray tsy miankina ao Nizerià. Saripika an'i Rajmund Dabrowski/ANN , 7 Jona 2009. ( CC BY-NC-ND 2.0 ). Nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2022, niditra tamin'ny fitokonana “tanteraka sy manontolo” ny ASUU (Academic Staff Union of Nigeria Universities), nanosika ireo anjerimanontolom-panjakana nizeriàna vatsian'ny governemanta federaly hanakatom-baravarana. Nandritra ireo volana roa farany, marobe ireo Nizeriàna mpianatra no nijanona an-trano, mitolona mba hanamaivanana ny fikorontanan'ny tetiandrom-pianaran-dry zareo. Taorian'ny tsy fahitàna mamimaritra niraisan'ny sendika sy ny governemanta momba ireo fitakian'ny mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo no nitranga ilay fitokonana. Amin'ireo anjerimanontolo miisa 170 ao Nizerià, 43 no tantanin'ny governemanta federaly, 48 an'ny governemanta foibe sy tantaniny. Ny 79 ambiny dia toeram-pianarana an'ny tsy miankina. Ny tsy nahavitàn'ny governemanta nampihatra ilay nifanarahany tamin'ny 2009 niaraka tamin'ireo mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo no iray isan'ireo antony lehibe amin'io fitokonana io. Indrindra indrindra fa ampangain'ny ASUU ny governemanta ho nandà ny fandoavana ilay “880 lavitrisa NGN eo ho eo (2,2 lavitrisa dolara amerikàna) tokony “hanomezana aina vao ireo anjerimanontolo, no sady koa nandà tsy hampiditra ireo fanampiana akademika efa azo ho an'ny tetibola 2022 araka ny nampanantenaina .” Profesora Ayo Akinwole, lehiben'ny ASUU dia nitaraina bebe kokoa hoe “raha ireo Nizeriàna pôlitisiàna no isan'ireo mandray karama ambony be indrindra erantany, ireo Nizeriàna mpampianatra amin'ny anjerimanontolo kosa no isan'ireo kely karama indrindra erantany, ahitàna profesora tsy mandray afa-tsy latsaky ny 1.000 dolara amerikàna isambolana.” Ireo Nizeriàna mpanao lalàna no isan'ireo olona be karama indrindra erantany, vola miditra isantaona eo anelanelan'ny  150.000 sy 190.000 dolara amerikàna. Ny governemanta, tamin'ny alàlan'ny Ministry ny Asa sy ny Fampananana Asa,  Chris Ngige, dia nilaza fa tsy ananany ny vola ho entina manome fahafahampo ny fitakian'ireo mpampianatra mitokona. Na izany aza, tamin'ny 2 Martsa dia nanangana kaomity iray ny Ministeran'ny Fampianarana mba hifampiraharaha amin'ny ASUU, ka tanjony amin'izany ny hivoahana amin'ity kizo ity. Be loatra ny fitokonan'ny ASUU ? Ny fitokonana voalohany indrindra nataon'ny ASUU dia nanoherany ny jadona tafahoatra ataon'ny fitondrana miaramila eo amin'ny fahefana, izay niafara tamin'ny fandraràna ilay sendika tamin'ny 7 Aogositra 1988. Nanomboka teo, tsy nitsahatra ny fampiasàn'ny ASUU ireo hetsika fitokonana ho toy ny fitaovana iray ifampiresahana amn'ny governemanta. Nanomboka tamin'ny 1999, rehefa niverina tamin'ny rafitra demaokratika sivily ny tao Nizerià, in-15 niditra tamin'ny fanaovana fitokonana ireo mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo, izay rehefa atambatra dia mahatratra 50 volana, hoy ny tatitry ny Premium Times, gazety nizeriàna an-tambajotra. Naharitra sivy volana ny fitokonan'ny ASUU tamin'ny 2020, mitovy amin'ny taompianarana akademika iray manontolo. Matoandahatsoratra iray tao anatin'ny Nigerian Tribune, gazety iray ao an-toerana no manamafy bebe kokoa fa “teo anelanelan'ny 1999 sy 2020, in-17 ny  ASUU no niditra tamin'ny fanaovana fitokonana, 1.450 andro rehefa atambatra. Midika izany fa nanao fitokonana isaky ny 15 volana, ary rehefa atambatra dia efa mila hanome efatra taona feno tato anatin'ny 21 taona.” Nisy fiantraikany nanapotipotika ny fampianarana teny amin'ny anjerimanontolo ao amin'ny firenena ny vokatra nitambatambatra avy amin'ireny fitokonana ireny. “Tena voadona ratsy be ny vokatra akademikan'ny mpianatra, ary saiky ngoly ny rafitra fampianarana manontolo. Mpianatra feno tapany sy olona nahazo diplaoma tsy afaka ny ho ampiasaina akory no vokatr'ireny, sady tsy manana izay traikefa kely indrindra takiana mba ho enti-mivelona ao anatina tontolo mavitrika toy ny ao Nizerià sy erantany” hoy ny tarainan'ny The Cable , gazety iray an-tambajotra. Governemanta maty eritreritra sy tsy miraharaha ve? Fitaratra fotsiny ihany amin'ny “tsy firaharahiana tanteraka asehon'ny governemanta nizeriàna ny fanabeazam-bahoaka” raha ny fitokonan'ny ASUU, hoy ny ambaran'i Ebenezer Obadare, Profesora sady Zokiolona Mpiaradia amin'ny Fandalinana momba an'i Afrika ao amin'ny Council on Foreign Relations (CFR). Mibaribary any anatin'ireo fitokonana hafa ataon'ireo sendika hafa any amin'ireo anjerimanontolom-panjakana ao Nizerià io filazana ny tsy firaharahian'ny fanjakana ny fanabeazam-bahoaka io. Ny 27 Martsa 2022, natomboky ny Non-Academic Staff Union of Universities (NASU) sy ny Senior Staff Union of Nigerian Universities (SSANU) ny fitokonana iray ho fanairana . Ny fitakiana dia nifototra tamin'ny tsy fankatoavan'ny governemanta ireo fifanekena momba ny fiahiana ny mpiasa tamin'ny Oktôbra 2020 sy Febroary 2021 nifanaovany tamin'ireo sendika. Tamin'ny 21 Aprily, nitarina iray volana fanampiny ilay fitokonana, taorian'ny “nanohizan'ny governemanta ny fahanginany momba ny fitakian'ireo sendika.” Tsy hoe tsy misy ifandraisany amin'ny famatsiambola zara raha misy omena ny fanabeazam-bahoaka ao Nizerià akory ilay andiana fitokonana. Ilay 1,09 trillion  NGN (2,8 tapitrisa dolara eo ho eo) natokana tao anatin'ny tetibola 2021 ho an'ny fanabeazana no iray amin'ireo ambany indrindra tato anatin'ny folo taona. Latsaka any ambanin'ny fenitry ny UNESCO io, izay milaza ny hanokanana “15 hatramin'ny 20% amin'ny tetibolam-panjakana ho amin'ny fanabeazana” hoy ny fandalinana iray nataon'ny BudgIT , fikambanana sivily iray ao Nizerià. Raha handray amin'ny fomba matotra ny famatsiana ara-bola ny anjerimanontolo ny governemanta nizeriàna, dia “tokony ho eo anelanelan'ny 2,03 trillion sy 2,7 trillion NGN ny tetibola ho an'ny fanabeazana — fa tsy 1,09 trillion NGN, hoy ny nohizingizinin'ny ” BudgIT, vondrona nizeriàna mpandalina ny toekarena. Fitantanana natsahatra ho an'ireo fampielezankevitra ho amin'ny fifidianana Ngige sy ilay mitovy kilasy aminy, Emeka Nwajiuba, ministra lefitra misahana ny fanabeazana, dia samy nisolo tena ny governemanta federaly tany anatin'ireo fifampiraharahàna nifanaovana tamin'ny mpitokona ASUU. Samy nanambara ny fikasàny ireo minisitra roa fa hoe handà tsy handray ny toerana faratampony ao Nizerià, ny toerana maha-filoha. The Minister of State for Education bought a N100M Presidential form while ASUU is on strike. The Minister of Labour and Productivity too wants to become president. The main Minister of Education is like a ghost worker. But he has managed to keep his job for 7 years. Tragicomedy. — Dr Dípò Awójídé (@OgbeniDipo) April 28, 2022 Raha ny ASUU mitokona, ny minisi-panjakana misahana ny fanabeazana kosa dia nividy N100N, taratasy firotsahana ho filoha. Ny minisitry ny asa sy ny famokarana koa dia maniry ny ho lasa filoham-pirenena. Lasa toy ny mpiasa matoatoa sisa ilay tena minisitra misahana ny fanabeazana. Saingy vitany ny nitazona ny toerany nandritra ny 7 taona. Hatsikana mahatsikaky. — Dr Dípò Awójídé (@OgbeniDipo) 28 Aprily 2022 Indrisy, io dia manome fahatsapana toy ny hoe natsahatra ny fitantanana ao Nizerià. Mety ho lany taona iray any an-tranony ireo Nizeriàna mpianatra, raha ireo minisitra kosa manohy ny fampielezankevitr'izy ireo ho amin'ny fifidianana. Raha eo ampifanakalozan-kevitra amin'ilay governemanta bemarenina ny ASUU, mety ho fotoana angamba izao tokony handinihan'ilay sendika ny tetikadiny, araka ny torohevitra avy amin'ny tonian-dahatsoratry ny Nigerian Tribune . Raha tsy izany, atahorana “hotsarain'ny maro ho manao ny fitokonana ho toy ny anton-draharahany” ny ASUU.”
https://mg.globalvoices.org/2022/04/28/157296/
Shagz Chronicles: Ilay rakipeo Keniana izay maniry anao ho tia ny fiteny sy kolontsaina Kikuyu
2022-04-28T15:16:47
Unknown
Shagz Chronicles: Rakipeo Keniana iray amin'ny fiteny Kikuyu. Fampiasàna nahazoana alalana. Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra : Manomboka ny 28 Aprily 2022, hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang ny Shagz Chronicles mba hizara ireo traikefany amin'ny famelomana indray sy fampiroboroboana ireo fiteny afrikanina. Ampahany amin'ny fanentanana mandeha amin'izao fotoana izay eo amin'ny tambajotra sosialy izy io mba hankalazana ny fahasamihafàna fiteny amin'ny aterineto. Vakio bebe kokoa eto ny fanampim-panazavàna mikasika ny fanentanana . Rakipeo iray izay ahatsiarovan'ireo mpanentana ny fahazazany tamin'ny taona 1990 ny Shagz Chronicles , tany amin'ireo faritra ambanivohitr'i Kenia ary tantaraina amin'ny fiteny Gĩkũyũ (Kikuyu) — fiteny fahatelo tena be mpampiasa ao amin'ny firenena. Entanin'i Wathiomo sy Jehudi (solonanaran'izy ireo), nilaza ireto mpampiara-peo tao anaty lahatsoratra fampahafantarana ny fandaharana fa: Nahaliana fatratra anay ireo zavatra maro nitranga nanodidina anay. Ity (rakipeo ity) dia nindramina betsaka avy amin'ny fahatanorana, fitiavana te hahalala zavatra, fakàna sary an-tsaina, ireo hanihaninay sy ny fankafizana ny tontolo manodidina anay. Ao anatin'ny andiany ataonay amin'izao fotoana izao hanasongadinana ny asan'ireo mahery fo mampiroborobo ireo fiteny afrikanina ao anatin'ny habaka nomerika, dia nifandray tamin'ireo mpampiantrano ny rakipeo izahay. Rising Voices (RV): Azafady lazao anay ny mombamomba anao sy ny asanao mifandraika amin'ny fiteny ? Shagz Chronicles (SC): Shagz Chronicles dia rakipeo iray izay mikendry ny mba hitiavan'ireo olona ny fiteny Gĩkũyũ (Kikuyu) sy ny fampiasana ny fiteny ho sahala amin'ny tohatra mankamin'ny fahatakarana ny kolontsain'izy ireo. Ny tanjonay dia ny hanabe, hampianatra sy hifandray amin'ireo olona hafa izay mirotsaka handray anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra. Ataonay ihay hahatonga ilay teny ho mahafinaritra ny mianatra azy amin'ny alalan'ireo tantara, ireo fiteny fampiasa matetika, ireo ohabolana, sy ny sisa. Ireo tantara izay zarainay dia avy amin'ny fanabeazana anay tao anatin'ny rafitra faha vazimba ho toy ny fomba iray fampiroboroboana ny fiteninay ao anatin'ny habaka nomerika. RV: Manao ahoana ny fiteninao ankehitriny, amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto ? SC: Nahazoanay tombony tsara na ny tao anaty aterineto na ny tsy tao. Matetika tenenina ivelan'ny aterineto foana ilay fiteny ary misy fandrosoana eo amin'ny tanora sy olon-dehibe izay mampiasa azy hifandraisana, indrindra indrindra amin'ny raharaham-barotra noho ny fitongilanana hoe “Mkikuyu ni wa biashara” (olona Kikuyu iray tsy misahirana afa-tsy izay hahazoany vola/fampandehanana orinasa). Raha ny eo amin'ny aterineto, nisy ireo fandraisana anjara miavaka tamin'ilay fiteny manerana izao tontolo izao. Tamin'ny alàlan'ireo rakipeo sy tononkalo izany. Eo amin'ny YouTube, ohatra, mahita ianareo fantsona marobe fitantaràna sahala amin'ny Jeff Kuria TV, Kikuyu digital TV , ankoatran'ireo hafa. Mampiseho ny mety ho fitomboana izany. Noho ny Aterineto, afaka mahatsapa ho sahala amin'ny ao an-tranonao ianao, na aiza na aiza misy anao manerana izao tontolo izao. RV: Farito ireo fanamby sasantsasany manakana ny fiteninareo tsy ho azo ampiasaina feno amin'ny aterineto. Misy tsy ampy ve eo amin'ny rafitra manokana avy amin'ny fandrafetana ny politika: SC: Maro ireo olona eo amin'ny tontolo nomerika no manana fihetsika ratsy manoloana ny fampiasana ireo fiteny indizeny satria ampifangaroan'izy ireo amin'ny resaka foko ilay izy. RV: Farito ireo fanamby teknika sasantsasany sy/na teknolojika manakana ny fiteninareo tsy ho azo ampiasaina feno eo amin'ny aterineto. SC: Ny fandikàna ilay fiteny. Mpampiasa serasera vitsy monja no mahazo ilay fiteny. Raha toa ireo fitenindreny nomena fotsiny ny fahafahana ho azo nadika sahala amin'ny kiswahili, dia mety hitondra fahasamihafàna sy fiantraikany goavana izany. Afaka hiantoka ny fitomboan'ilay fiteny izany. RV: Inona avy ireo antony sasantsasany nahatonga anao nisafidy ny hampiasa ny media rakipeo fa tsy ireo vovonana hafa toy ny bilaogy, vlogging na ireo hafa ? SC: Ho anay, nosafidianay ny rakipeo satria izy io no ahafahan'ireo mpihaino anay hilomano tanteraka ao anatin'ireo fandaharana. Afaka mihaino anay ireo mpihaino na aiza na aiza, na any Kenia ao anaty fiarandalamby, na any amin'ny toerana hafa eto amin'izao tontolo izao eny amoron-dranomasina, satria ny rakipeo koa ahafahan'ireo mpihaino manaraka eo am-pitoerana eo. RV: Inona avy ireo petrakevitra sasantsasany efa nataonao izay, na nahilika, na nohamafisina ? Ary koa, ny tsy nampoizina ? SC: Ny tombatombanay dia ny hoe mila fotoana elaela izahay mba hisy fiantraikany, indrindra fa hoe toy ny akany izahay. Ary koa, ilainay ny mampakatra votoaty araka izay vitanay. Tsy fantatray taloha hoe tokana  amin'ny karazany ny votoaty natolotray ary tsy maintsy nampitomboinay ny hafainganan'ny famokarana votoaty. Tsy nampoizinay ny fanekena ny votoaty natolotray. Mandray anjara amin'ireo votoaty ireo mpankafy anay ary mizara izany bebe kokoa sy midadasika kokoa. Amim-panetren-tena no ahalalana hoe misy fiantraikany ny fikirizanay. Fahagagana iray hafa koa fa miresaka amina andian-taranaka telo izahay, toy ny ao amin'ireo taranakay [gen X], ireo arivo taona sy ny andian-taranaka Z. RV: Araka ny hevitrao, dingana teknolojika toa inona, avy amin'ny orinasan'ny Aterineto na ireo tompona vovonana nomerika, no afaka hamporisika ny fampiasana bebe kokoa ilay fiteny ety anaty aterineto ? SC: Afaka manomboka amin'ny famolavolana fitaovana nomerika atao amin'ireo fitenindreny ireo vovonana nomerika, ary manohy ihany koa manohana ny fahafahana miditra sy ny fahafahana mifandray. RV: Ny fitomboan'ny fiteny amin'izao fotoana izao amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto dia mirona kokoa mankamin'ireo endrika am-bava/feo amin'ilay fiteny, inona no mety ho fiantraikan'izany eo amin'ny endriny an-tsoratra/vakiteny. Fango famantarana ny rakipeo Shagz Chronicles SC: Noho ny rafi-panabeazana sy ara-tsosialy, ny ankamaroany  dia mirona ho azy mankamin'ny feo fa tsy ny soratra. Tena lafiny iray natokana indrindra ho an'ireo nahita fianarana ambony ny soratra. Ny fitomboan'ny fiteny am-bava dia misy fiantraikanymiabo amin'ireo endriny ara-tsoratr'ilay fiteny, satria manome fototra tena ilaina amin'ny fahaizana manoratra. RV: Katro-doha ho an'ireo mpiteny ny fiteny sasantsasany izay sendra anao tao amin'ny aterineto na ivelan'ny aterineto ve io? Raha eny, inona no azo atao/no atao mba hiantohana fa tsy mifantoka fotsiny amin'ny feo ireo mpampiasa ilay fiteny na ireo izay maniry hianatra izany ? SC: Manahy ny amin'ny hahavitsy ireo olona afaka manoratra ilay fiteny ny ankamaroan'ireo mpiteny azy. Mila vovonana iray izahay izay mampivelatra miaraka ny lafiny am-bava sy an-tsoratra amin'ny fiteny, ohatra ny tononkalo, ho anay, dia mahafaoka  indray mandeha ny fahaizamanao an-tsoratra sy am-bava. RV: Inona avy ireo dingana mivangana eritreretinao  hoe mety ho azo raisina mba hndrisihana ireo tanora hanomboka hianatra ny fiteniny na hitohy hatrany hampiasa ny fiteniny ? SC: Ny fampiasàna ny fiteninay amin'ny asa andavanandro. Ny fisiana sy fevelanana any anatin'reo habaky ny fiainana andavanandro. Ny fanabeazana sy fampitàna ilay fiteny amin'ny fomba azon'ny tanora hanakarana azy.
https://mg.globalvoices.org/2022/04/27/157294/
Hiram-panoherana matanjaka ao Kenya sy Afrika Atsimo
2022-04-27T06:32:45
Unknown
« Hetsika fanoherana ny apartheid tany am-piandohan'ny andian-taona 90 » an'i Nagarjun nampiasàna ny lisansa CC BY 2.0 . [Raha tsy asiana fanamarihana manokana, mitondra mankany amina pejy amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra] Tsy misy hafa amin'ny fampiasàna ny mozika ataon'ireo Ogandey sy Nizeriàna mpanakanto  ho entina manao fanamby amin'ny mpitondra sy ny famoretan'ny tafika, dia manao tahaka izay koa ireo mpanakanto manerana ny tanibe. Indro ny ampahany faharoa amin'ity andiany misy lahatsoratra roa ity izay anasongadinanay ireo mpiangaly mozika avy ao amin'ny tanibe ary mivoy mozika mandrisika ny fikatrohana sy ny fanoherana . Ho an'ny ampahany voalohany, jereo ato . Ato anatin'ity lahatsoratra ity, resahantsika ny mozikam-pitorohana ao Kenya sy Afrika Atsimo, ary ny anjara toerana miankina aman'aina tazoniny ao anatin'ny tolom-panafahana ny vahoaka. Hatramin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany dia nisy fiovàna goavana ny tontolon'ny mozika ao Kenya ; noho ireo hiram-panoherana dia marobe ireo mpihira ao an-toerana no nahazo laza. Ohatra iray malaza ny an'itompokolahy Joseph Kamaru , kikuyu mpiangaly mozika nanana rakikira efa mihoatra ny 1.000. Teraka tao afovoan'i Kenya, nitrandraka fifangaroana tsy manam-paharoa nahitàna ireo gadona nentindrazan'ny kikuyu izy, nampivadiany tamin'ny feon-gitara, ny vata maro afitsoka ary indraindray ny angorodao. Matetika izy no mihira ireo hira misy ifandraisany amin'ny olana sôsialy, itarafana ny fivoaran'ny tanandehibe sy ny fahaleovantenan'ny firenena. Kanefa, tamin'ny 1969 – taona enina monja taorian'ny fahaleovantenany – latsaka tao anaty adilahy pôlitika i Kenya taorian'ireo fifidianana nifandirana, nifanandrinan'ny antoko KANU teo amin'ny fitondràna tamin'izany fotoana izany sy ny avy amin'ny fanoherana KPU. Nampizarazara ny fiarahamonina izany, indrindra fa rehefa nisy namono andro antoandro be ilay pôlitisiàna malaza Tom Mboya [fr]. Ho an'io tranga io, nosoratan'i Joseph Kamaru ny hira iray « Aromaka » (« Enga anie hatahotra izy »), izay nikatsaka ny hanao fideràna ny antokon'ny mpitondra, saingy tsy nahababo olona maro noho ny fahitàna ny fitanilàny manoloana ilay famonoana . Vato fahatsiarovana an'i JM Kariuki avy amin'i Mpigapicha, nampiasàna ny lisansa CC BY-NC-ND 2.0 Tamin'ny 1975, volana vitsy monja taorian'ny  fifidianana iray hafa nifandirana be dia maty nisy namono ny pôlitisiàna iray hafa indray, tamin'ity indray mitoraka ity dia tao afovoan'i Kenya, Josiah Mwangi Kariuki , fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe JM Kariuki. Itpkl JM Kariuki, izay tany am-piandohana dia mpomba ny governemanta, dia lasa iray tamin'ireo feo mpanakiana tena nisongadina manoloana ny fanavakavahana foko sy ny kolikoly tao anatin'ny governemanta, namorona ny fehezanteny hoe : « Lasa firenena misy olona folo mpanapitrisa sy mahantra folo tapitrisa i Kenya ». Noho ireo fanakianana ataony imasom-bahoaka, noraràna tsy hahazo manao fampielezankevitra izy ary voatery niditra tamin'ny fitetezana ny isam-baravarana sy ny fitsidihana tokantrano. Tamin'ny fahafatesan'i M. Kariuki tamin'ny 1975, nohirain'i M. Kamaru ny hira iray mitondra ny lohateny hoe « JM Kariuki » ho fisaonana ny fahafatesan'ilay maherifon'ny firenena, sy ho fanomezana voninahitra ilay namany manokana. Io hira manokana io no iray tamin'ireo hirany malaza be mpividy indrindra, 75 000 no lafo nandritra ny herinandro voalohany nivoahany. Vetivety izy dia lasa lasibatry ny governemanta ; ary tamin'ny Jona 1975, voaràra tsy azo nalefa tao amin'ny onjampeom-pirenena ilay hira, ny Voice of Kenya (amin'izao fotoana izao dia ny Kenya Broadcasting Corporation ). Tsy nijanona teo anefa ilay mpihira fa taorian'ny nahafatesan'ny filoha voalohany tao Kenya, Jomo Kenyatta [fr], dia nanakaiky ny filoha manaraka izy, Daniel arap Moi [fr], izay nanasa azy hiara-hitsidika an'i Japàna. Izay no nitondra azy nankany amin'ny fanoratana ny « Safari ya Japan ». Na izany aza, tsy niandry fotoana ela dia efa nifanolana tamin'ny fitondràna tao an-toerana izy, ary dia lasa nanakiana indray. Nanoratra hira iray hafa izy, fifangaroana hainteny kikuyu sy fiteny manjavozavo ho fampitandremana ny governemantan'ny filoha Moi momba ny tsy fahafaliana sy ny hadisoam-panantenan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny, ary ireo Kikuyu manokana. Lohatenin'ilay hira ny hoe « Ni Maitho Tunite » («Ny fijerinay fotsiny no novànay ») . Voaràra tsy azo nalefa tamin'ireo onjampeo/TV-mpirenena ihany koa io. Tsy nifarana teo ny fifamatoran'i M. Kamaru tamin'ny pôlitika tamin'izany fotoana izany. Tamin'ny 1988, raha teo am-piomanana hiatrika fifidianana iray hafa ny firenena, nanoratra hira hafa iray izy, « Mahoya ma Bururi » (Vavaka ho an'ny firenena), izay , na tamin'ny fiteny kikuyu aza tany am-boalohany, dia nisarika ny sain'ny fanjakàna, indrindra fa ny filoha tamin'izany, Daniel Moi. Noheverin'ingahy io ho famelezana azy aloha ilay hira, tamin'ny filazàna hoe « guikio irima ta Daniel » izay raha adika dia hoe « natsipy tao an-davaka /an-davabato toa an'i Daniel ». Ny fanazavan'i M. Kamaru dia nanosoka ny hoe ilay anarana « Daniel » dia manondro an'i Daniel voalazan'ny baiboly, izay natsipy tao an-davabato niaraka tamin'ireo liona noho izy nandà ny hiankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Ho toy ny marimaritra iraisana, nangatahan'i M. Moi mba ho adika amin'ny fiteny swahili , teny nasiônaly, ilay hira. Na dia navoakan'i M. Kamaru aza ilay hira, tsy nalefa velively afa-tsy tamin'ny fiteny kikuyu ilay izy, izay nahatalanjona an'i M. Kamaru. Ireo fifandraisana tsindraindray teo amin'ny hiran'i Joseph Kamaru sy ireo pôlitisiàna tamin'izany fotoana izany dia nidika fa raha marobe ireo pôlitisiàna nanandrana ny hanao jadona sy handràra hira, dia nanjaka kosa ny fihaonan-dàlan'ny famoronana, sy ireo olana sôsialy sy pôlitika ary ny feo iraisana amin'ny aretina mamely ny vahoaka. Mbola manakoako hatrany ao any anatin'ny toedraharaha misy ankehitriny ao Kenya ireny olana ireny . Niaina vanim-potoana Apartheid [fr] ity firenena any amin'ny tendro atsimon'ny tanibe afrikàna ity, fony ireo Boers avy amin'ireo fotsy hoditra vitsy an'isa nitondra ny firenena sy nanjakazaka tamin'ireo mainty hoditra maro an'isa. Nanomboka ny 1948 hatramin'ny andian-taona 1990 izany. Hita nandritra io vanim-potoana io ireo tsy rariny natao an'iretsy farany ary marobe tamin'ireo mpitarika pôlitika tao aminy no nosamborina sy nahiboka mandra-pahafatiny . Miriam Makeba 2011 .jpg avy amin'i Tom Beetz . Nampiasàna ny lisansa CC BY 2.0 Nikatsaka ny ho lasa feon'ireo tsy mba miloa-bava, nisy vitsivitsy ireo afrikàna tatsimo nampiasa ny asany hisarihana ny saina nanerana ny firenena sy tany ivelany momba ireo olana tamin'izany fotoana izany. Isan'izy ireny i Miriam Makeba [fr]. Nohirain'ity ramatoa ity, nalaza tamin'ny mozikany isankarazany tamin'ny fiteny xhosa sy anglisy, ny « Beware, Verwoerd ! (Tandremo, ry Verwoerd) (Ndodemnyama) », manondro ny Praiminisitra afrikàna tatsimo tamin'izany fotoana izany, Hendrick Verwoerd, izay nitàna anjara toerana fototra tamin'ny fametrahana ny fitondràna apartheid. Voaràra tsy azo nalefa tamin'ny onjampeom-pirenena ilay hira noho izy mijoro manohitra ny apartheid. Tamin'ny 1960, voatery nandeha nanao sesitany ny tenany i Makeba, ary vetivety foana dia voaràra tsy nahazo niverina tao Afrika Atsimo. Lasa fitaratra erantany izy tao Etazonia ary nanohy nanao fampisehoana sy nanoratra hira fanoherana niampanga ny apartheid nanerana izao tontolo izao . Fotoana fohy taorian'ny fitsaràna an'i Makeba, niteraka resabe ny momba an'i Brenda Fassie [fr] nandritra ny ankamaroan'ny fotoana niasàny. Izy no nihira ilay hira « Black President » ho fanomezana voninahitra an'ilay « gadra nalaza indrindra » tamin'izany fotoana izany, Nelson Mandela. Fassie sy Chicco Thwala no nanoratra ilay hira tamin'ny 1990. Tamin'izany fotoana izany dia tonga teo amin'ny fara-androny ny governemantan'ny apartheid, ary efa ho afahana i Mandela. Mbola noraràn'ny governemanta foana ireo hiran'i Fassie noho ireo adihevitra miteraka resabe momba ny fananahana sy ny olana sôsialy teny amin'ireo tanàna tsizarizary tao Afrika Atsimo. Johnny Clegg & Savuka Third World Child avy amin'i  vinylmeister, nampiasàna ny lisansa CC BY-NC 2.0 Hira afrikàna tatsimo iray hafa ny  « Asimbonanga », nohirain'i Johnny Clegg sy ny Savuka Band, noraràn'ny governemanta apartheid. Amin'ny fiteny zoulou midika hoe “Fifohazana” ilay hira, ary nivoaka tamin'ny 1987 tao anatin'ny rakikiran'i Clegg, « Third World Child » . Samy noresahany i Mandela sy Steve Biko, noheverina ho toy ny mari-pamantarana ny hetsika manohitra ny apartheid sy nikatsaka ny hahazo ny rariny ho an'ireo vondrompiarahamonina indizeny afrikàna tatsimo. Manana fiaviana jiosy, zimbaboeàna ary Ecossais i M. Clegg, namondrona ny tarika voalohany nahitàna foko maro tao Juluka [fr] ary taty aoriana dia tao Savuka [fr]. Nitombo tany amin'ireo faritra sasany tao Zimbaboe (na i Rhodésie fahiny) talohan'ny nifindran'ireo ray aman-dreniny nankao Johannesburg, Afrika Atsimo. Izany dia nitarika azy hiatrika ny hirifiry iainan'ireo vitsy an'isa ao Jo'burg sy tany amin'ireo tanandehibe hafa. Nianatra ny fiteny zoulou ihany koa izy, teny ifampiresahana ao an-toerana, izay lasa iray tamin'ireo nentiny nanasoniavana ny hirany. Ny dikan'ny ankamaroan'ireny hira sy mpiangaly mozika ireny, dia ny teny faneva iraisan'ny fanoherana sy ny fitenenana manohitra ireo aretin'ny fiarahamonina ary ny fanavakavahana, na toy inona toerana sôsialy sy toekarena nisy azy. Ireny hira ireny, na dia tsy re tanaty onjampeo nandritra ny fotoana vonjimaika aza, dia afaka naseho masoandro sy nameno ny onjampeontsika, nahafahan'ny vahoaka avy amin'ny firenena rehetra nihaino sy nianatra ireny zava-nahagaga ara-mozika ireny .
https://mg.globalvoices.org/2022/03/21/156531/
Iza avy ireo atleta afrikàna mifaninana amin'ny Lalao Olaimpikan'ny Andro Ririnina ao Pékin 2022 ?
2022-03-21T12:57:11
Unknown
“Air” an'i ChrisMRichards nampiasàna ny lisansa CC BY-NC-ND 2.0 Raha nanomboka ny 4 Febroary teo tao Pekin, Shina ny Lalao Olaimpika (JO) 2022 fanao amin'ny ririnina, nirohotra nankany ny atleta avy amin'izao tontolo izao mba handray anjara amin'ny hetsika, tsy niavaka tamin'izany i Afrika. Na ohatra aza ka zara fa manana ranomandry, na tsy manana mihitsy, ny ankamaroan'ireo firenena ao amin'ny tanibe afrikàna , mametraka tontolo iray manasarotra ny fanomanana ireo lalao ôlampikan'ny andro ririnina, natrehan'ireo atleta afrikàna ny fanamby. Hatreto, tsy misy atleta afrikàna nandrombaka medaly tamin'ny JO Andro Ririnina. Ity taona ity ve no fotoana hanovàn'i Afrika ny tantana ? Firenena afrikàna dimy ihany no ho avy ao Pekin amin'ity taona ity, nisy fihenana raha oharina amin'ireo firenena valo nandray anjara tamin'ny Lalao tao Pyeongchang – Kôrea Atsimo tamin'ny 2018. Mifanohitra amin'ny fandaharana natao tamin'ny 2018, i Afrika Atsimo, Tôgô ary i Kenya dia tsy ho isan'ireo hanana solontena noho ny tsy nisian'ny fotoana nisafidianana ary ny tsy fahampiana ara-bola. Ireto ireo firenena afrikana dimy sy ireo atleta mitondra avo ny fanevan-dry zareo amin'ireo lalao amin'ity taona ity : Ity firenena nosy ity dia nandefa an'i Mathieu Neumuller raha i Mialitiana Clerc kosa efa miverina hanao ny lalao faharoany amin'ny JO Andro Ririnina taorian'ny nanombohany tamin'ny 2018 tany Pyeongchang, Kôrea. Samy handray anjara amin'ny fikorisàna ski midina an-tendrombohitra izy ireo . Clerc no hany vehivavy mpitaingina ski avy any amin'ny tanibe ho an'ireo lalao amin'ity taona ity, taorian'ny fialàn'ilay Keniàna Sabrina Samider . Nambaran'i Clerc tamin'ireo mpikarakara ny lalao ôlaimpika fa manantena izy ny ho lasa “aingampanahy ho an'ireo Afrikàna”, nampiany hoe: Miezaka aho ny ho vehivavy (afrikàna) voalohany hiakatra ny lampihazon'ny Tompondaka Erantany ary hitondra medaly volamena amin'ireo JO. Tiako ny ho lasa isan'ny iray tsara indrindra amin'ireo erantany mpikorisa amin'ny ski avy any an-tendrombohitra. Ary aty amin'ny JO aty Pékin, tiako ny ho tafiditra anatin'ireo 40 voalohany. Clerc dia teraka tao Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara, ary lehibe tao Frantsa. Teo amin'ny fahatelo taonany izy no nanomboka nikorisa tamin'ny ski tany amin'ny faritra niaviany ao Haute-Savoie, any amin'ireo Alpes frantsay. Noho ny fitiavany fanatanjahantena sy ny herimpony, tafita izy hiatrika ireo Lalao tany Pyeongchang 2018 teo amin'ny faha-16 taonany. Efa nandray anjara ihany koa izy tamina fifaninanana hafa fikorisàna tamin'ny ski tany Amerika Atsimo sy Eorôpa tato anatin'ny taona efatra farany. Ny fahombiazany dia ampy ho tosika ho an'lay mpiray tanindrazana aminy , Mathieu Neumuller. Teraka tany Madagasikara, saingy lehibe ihany koa tao Frantsa. Shannon Abeda no handray anjara amin'ny fikorisàna amin'ny ski avy any an-tendrombohitra, hisolo tena an'i Érythrée. Efa fanindroany izao fiverenan'i Shannon amin'ny JO izao taorian'ny nizakàny ny fanavakavahana volonkoditra, fankahalàna vahiny, sy onjam-panararaotana teny anaty tambajotra nandritra ireo lalao farany nataony. Nametraka fialàna izy ary tsy nitady akory izay ho voafantina tamin'ny faran'ny taona 2021. Nolazainy fa fanantenany ny mba ho aingampanahy ho an'ireo andian-taranaka ho avy hanao ski avy ao Eritrea. Faniriany ihany koa ny hihataka amin'ny ski ka hanomboka handray anjara amin'ireo fifaninanana  bobsleigh. Nandefa lahatsary iray izy, mitondra ny lohateny hoe « Dear Shannon » ao amin'ny Instagram, momba ny làlana nodiaviny, ka tanjona ny hanambony maoraly handray anjara amin'ireo Lalao ary handresena ireo fanararaotana natrehany fony izy nihalehibe atao Kanadà. Resahan'ilay lahatsary ny fialàna amin'ny fari-piadànany sy ny safidiny hiverina indray amin'ny JO. Nambarany fa ny safidiny dia avy amin'ny rafitra mpanohana azy sy avy amin'ireo olona manodidina azy. Hisolo tena an'i Maraoka i Sami Lamhamedi , mpikorisa ski sy mpanao ‘slalom’ anatin'ny sokajy lehilahy. Fikasany ny hanatsara ireo zavabitany tany aloha tamin'ireo fiadiana ny ho tompondaka erantany. Maraokàna ny rainy ary Kanadiàna ny reniny . Saingy nisafidy ny hihazakazaka hisolo tena ny firenena niavian'ny rainy izy. Nandrombaka medaly volamena izy tamin'ny JO Andro Ririnina natao ho an'ny tanora tamin'ny 2012 tany Innsbruck, Aotrisy, ary avy eo nisolo tena an'i Maraoka tamin'ny JO Andro Ririnina 2014 tany Sotchi, Rosia. Antenainy ny hanatsara ny fisehoany anatin'ny sokajy zokiny mandritra ireo JO Andro Ririnina ao Pékin. Handray anjara amin'ny antsoina hoe “ski de fond” ilay Nizeriàna Samuel Ikpefan Uduigowme . Izy no Nizeriàna voalohany manao ny “ski de fond” (cross-country skiing) ary hany solontena afrikàna tsy mandray anjara amin'ny fifaninanana mikorisa avy any an-tendrombohitra. Tamin'ny 2016, nampihariny ny fanovàna ny fizakàny zom-pirenena roa, frantsay nankany amin'ny nizeriàna,  ary voatery nandeha nankany Abuja, Nizerià izy mba handresy lahatra ny Federasiônan'ny ski momba ny fahafahany manao izany . Efa manampy sahady izy amin'ny fanentsenana ny banga amin'ireo Nizeriàna hafa mpikorisa amin'ny ski saingy mipetraka any ivelany izay maniry ny hisolo tena ny firenena niaviany . Antenainy ny hitarika Nizeriàna bebe kokoa hikorisa amin'ny ski mandritra ny JO 2026 any Milan sy Cortina. Dingana fankatoavana henjana no nolalovany mba ho afaka hanao ny JO 2021, satria nasain'ireo manampahefana nizeriàna nody an-tanindrazana izy haneho ny fahaizany amin'ny alàlan'ny fampiasàna ireo ski misy kodiarana. Tany amin'ireo Alpes frantsay, toerana naha-lehibe azy izy no nanao fanazarantena. Nandray anjara ihany koa izy tamin'ny Fiadiana izay ho tompondaka erantany tao Soeda tamin'ny 2021 mba hanamafisany ny toerany, fotoana nanombohany ny “ski de fond”. Ilay Ghaneàna Carlos Maeder no mpikorisa ski avy any an-tendrombohitra be taona indrindra amin'ity Lalao ity ary ny mpikorisa fahatelo avy any Ghana. Zaza natsangana ary notezaina tany Eorôpa, nataony izay hisoloana tena ny firenena nahaterahany . Ny hanome ohatra tsara sy hampiseho amin'ireo tanora ao Soisa sy Ghana hoe azo atao ny zavatra rehetra rehefa arahana finiavana sy ny ezaka ilaina amin'izany, tsy misy ny tendrombohitra avo kokoa! A post shared by Carlos Mäder (@carlosmaederteamghana) Amin'ny fampiasàna ny bilaoginy , hazavainy fa na nomen'ny reniny ho atsangan'olona aza izy, dia nifandray tsy tapaka tamin'ny kolontsaina sy ny fototra ganeàna niaviany . Mpilalao baolina kitra fahiny, tamin'ny 2017 izy no namelona indray ny fahalinany tamin'ny ski ary voafantina ho an'ireo JO 2018 na dia tsy nifaninana aza . Amin'ny fandraisana anjara amin'ireo lalao amin'ity taona ity, nanapaka hevitra izy ny hanome voninahitra izany . Tsy nahavita nahita mpamatsy vola i Sabrina avy ao Kenya Tsy afaka nahazo famatsiambola avy amin'ny Komity Nasiônaly Olaimpika ao Kenya (CNO-K) ilay hany tokana solontenan'i Kenya, Sabrina Samider , vehivavy mpikorisa amin'ny ski tokony hifaninana amin'ny fikorisàna avy any an-tendrombohitra, ho an'ny JO faharoa misesy nandraisany anjara . Fihodinan-javatra mampalahelo, satria tamin'ny 2018 dia ny CNO-K no nanohana azy ara-bola ary nanotrona azy . Tsy nisy fanazavana naroso momba izay antony nahatonga ny CNO-K tsy namatsy vola azy tamin'ity taona ity. Ny tantaran'i Afrika sy ireo JO Andro Ririnina Enimpolo taona lasa izay, nandritra ireo Lalao tao Squaw Valley,  Kalifôrnia tamin'ny 1960, i Afrika Atsimo no voalohany tamin'ireo firenena afrikàna nisolo tena an'i Afrika tanatin'ireo Lalao amin'ny Andro Ririnina. Ny ampahefatr'ireo atleta afrikàna tamn'izany dia irony mpandihy misosa ambony ranomandry irony, isan'izany i Marcelle Matthews, izay vao 11 taona, ny zandriny indrindra tamin'ireo mpandray anjara tamin'ireo Lalao. Nanjohy ny diany taty aoriana i Patricia Eastwood, 12 taona, Marion ‘Penny’ Sage, 16 taona, ary i Gwyn Jones, 20 taona. Izay no fotoana farany nanatrehan'i Afrika Atsimo ny JO Andro Ririnina ho an'ireo taona 34 nifandimby taty aoriana, taorian'ny nandraràna azy tany am-boalohany tsy ho afaka handray anjara tamin'ny 1964 noho ny fandàvan'ny federasiôna nasionaly ôlaimpikany tsy hanameloka ny ny “apartheid”. Farany, noroahan'ny Federasiôna Olaimpika Iraisampirenena (CIO) ireo atleta afrikàna tatsimo ho fanoherany ny apartheid sy ireo pôlitika nasiônaly mifototra amin'ny fanavakavahana ara-poko. Nanomboka teo, 15 ireo firenena nisolo tena an'i Afrika tamin'ireo JO Andro Ririnina, izany hoe 28% eo ho eo amin'ireo firenena ao amin'ilay tanibe. Tsy toy ireo JO tany aloha izay nandraisan'ireo tarika tamin'ny taranja “bobsleigh”, tamin'ity taona ity, tany amina taranja atao ho an'ny isambatan'olona no nifaninana ireo Afrikàna mpandray anjara. Fanamby tokana miaraka amina fahafahana manomana tena voafetra no atrehan'ireny mpandray anjara ireny. Ny ankamaroan'ireo mpikorisa amin'ny ski dia manana fifandraisana akaiky amin'ireo firenena manana ranomandry any amin'ny ilabolantany avaratra, toa an'i Frantsa, Soisa, Alemaina. Maro no taranaka manana ray aman-dreny afrikàna sy eorôpeàna , na natsangana fianakaviana eorôpeàna. Ny hafa indray nandao ilay tanibe mba hikaroka fahafahana mandranto fianarana na asa sy fiofànana. Ireny fanamby ireny no antom-paharisihana ho an'ny mpikorisa ski marobe. Ho an'ireo atleta, fotoana iray fanararaotra ny JO mba hitondra aingampanahy sy fandrisihana ho an'ireo taranaka ôlaimpiàna afrikàna amin'ny hoavy . Raha hitady vaovao misimisy kokoa momba io lohahevitra io, tsidiho ny tahirin-kevitray manokana ny “ Rehefa lasa pôlitika ny fanatanjahantena: ny ao ambadiky ny Pékin 2022″