url stringlengths 41 46 | title stringlengths 10 284 | date timestamp[s]date 2007-09-12 12:24:22 2025-12-16 16:17:35 | author stringclasses 1 value | content stringlengths 113 36.1k |
|---|---|---|---|---|
https://mg.globalvoices.org/2022/03/15/156252/ | #AfricansInUkraine (AfrikànaAoOkraina): Mpianatra izahay, tsy manana fitaovam-piadiana | 2022-03-15T06:43:32 | Unknown | Tranobe ao Kiev (Arabe Oleksandr Koshyts) taorian'ny daroka baomba nandritra ny fananiham-bohitra rosiàna tao Okraina. Sary Wikimedia an'ny Filankevitry ny Tanànan'i Kiev , 26 Febroary 2022 ( CC BY 4.0 )
Ny 24 Febroary, rehefa notafihan ‘i Rosia i Okraina , an'aliny maro ireo mponina nandao ny tranony hikatsaka fialofana azo antoka any ambadiky ny sisintanin'ity firenena ao Eorôpa Atsinanana ity. Nofoanana ireo sidina sivily nampifandray an'i Okraina tamin'izao tontolo izao, an-tanety no tsy maintsy nandehanan'ny olona, toy ny fiarandalamby, fiara be iraisana sy fiara tsotra. Isan'ireo sivily nandositra koa ireo Afrikàna am-pielezana, izay tsy maintsy niatrika ny tsy fisian'ny tohana ôfisialy avy amin'ny firenena niaviany, sy ny fanavakavahana ara-poko eny an-kianja ao Okraina ary eny amin'ireo toerana fisavàna eny an-tsisintany.
Nankalazaina be teny anaty tambajotra sôsialy ny herimpo sy ny faharetan'ireo Okrainiàna miaro ny tanindrazany, toy ireo miaramila okrainiàna niteny tamin'ireo sambo mpiady rosiàna hoe “ndeha mandeha-T.. any” , na ilay ramatoa okraniàna nanome voam-boninkazo tanamasoandro an'ireo miaramila rosiàna , mba “haniry ireo tanamasoandro rehefa maty izy ireo,” na ny filoha okraniàna nandà ny tolotry ny Amerikàna hanalàna azy ao .
Kanefa, tsy mbola ilay sary feno sy tanteraka amin'izay toedraharaha misy ao Okraina io. Zavatra iainany momba ny fanavakavahana ary mbola sarobahana kokoa no ambaran'ireo Afrikàna maneho hevitra ao amin'ny tambajotra sôsialy .
16.000 ireo Afrikàna mpianatra ao Okraina
Okraina, miaraka amin'ireo anjerimanontolo mihoatra ny 240 ananany sy ireo mpianatra iraisampirenena mihoatra ny 76.500 , no fitodiana iray malaza ho an'ireo mpianatra avy amin'ny firenena Tatsimo toa an'i India sy ireo firenena afrikàna. Myroslava Hladchenko, ramatoa mpikaroka ao amin'ny Anjerimanontolo Nicolaus Copernicus, Pôlônina, no manazava fa mba ho entina manohy fianarana ambony dia mahazo fankatoavana tsara ny diplaoma iray avy amina anjerimanontolo okrainiàna iray , nefa tsy sarotra loatra ny fomba fidirana no sady ambany noho ny an'ireo firenena hafa ao Eorôpa ny saram-pianarana sy ny halafon'ny fiainana.
Misy 16.000 ireo Afrikàna mpianatra ao Okraina. Anatin'izy ireny dia ireo Maraokàna mpianatra no mandrafitra ny vondrona lehibe indrindra misy 8.000, manodidina ny 4.000 ireo Nizeriàna ary 3.500 ireo Egiptiàna, hoy ny tatitry ny Deutsche Welle. Raha nampitandrina ireo mpianatra avy any aminy i Egypta sy Maraoka mba handao an'i Okraina mialoha ilay fananihambohitra, navela handeha amin'ny herin'ny tenany kosa ireo mpianatra avy amin'ireo firenana afrikàna hafa.
Araka ny lazain'ny World University News , tamin'ny 24 Febroary “ ny Fianarana ao Okraina”, loharanom-baovaon'ny governemanta okrainiàna ho an'ireo mpianatra iraisampirenena, dia nanoro hevitra azy ireo mba hanaraka ny vaovao, hifandray tsy tapaka amin'ny anjerimanontolo ianarany ary hanao ho laharam-pahamehana ny fiarovana ny ain-dry zareo.
Ny 26 Febroary, “The East African”, gazety iray miorina ao Kenya, raha nitatitra ny fihetsik'ireo firenena afrikàna tatsinànana — Ogandà sy Tanzania — dia nandrisika ihany koa ny mpianatra mba “hanaraka ireo torolàlana omen'ny manampahefana ao an-toerana sy hanara-maso ny toedraharaha eny anatin'ireo fantsom-baovao.” Fanambaràna iray (tsy misy daty) avy amin'ny masoivoho tanzaniàna ao Stockholm sy Berlin no niparitaka tao amin'ny media sôsialy ny 28 Febroary, nasiana adiresy WhatsApp ho an'ireo Tanzaniàna mpianatra mila fanampiana.
Ny 24 Febroary, nanambara ny Ministeran'ny Raharaha Ivelany ao Nizerià hoe efa misy drafitra napetraka hamoahana ireo Nizeriàna mpianatra, tamin'ny andro nanakatonan'i Okraina ny habakabak'izy ireo indrindra . Kanefa, ny 26 Febroary, ny masoivohon'i Nizerià ao Pôlônina dia nibitsika fa misy diplaomaty iray hiandry ireo Nizeriàna mpianatra hiampita avy ao Okraina ho any Pôlônina.
Ny 26 Febroary, nilaza ny governemantan'i Sierra Leone, araka ny bitsika iray nalefan'ny gazety Newswatch any an-toerana fa tsy misy ahiana ireo Sierra Leoniàna 97 ao Okraina. Nangataka an'ireo firenena eorôpeàna mpifanolo-bodirindrina , toa an'i Hôngria, ihany koa ny governenamantan'ity firenena afrikàna tandrefana ity mba handray ireo mpianatra tonga hiampita ny sisintany.
Fanetsehana ny fanampiana tsy araka ny lalàna
Na izay aza, anatina krizy iray izay andosiran'ny olona rehetra ho any amina toerana iray azo antoka kokoa any ambadiky ny sisintany, miasa eo ambany tsindry ireo manampahefana any an-toerana, ary lasa tena saro-bahana ny toedraharaha eny an-kianja. Noho ny tsy fisian'ny torolàlana tena azo tsapain-tànana avy amin'ireo governemanta sy masoivoho afrikàna momba ny fomba hamoahana am-pitoniana, dia ny olona mihitsy no niditra media sôsialy mba hifandamina sy hitatitra ny momba azy.
Tao amin'ny Twitter, WhatsApp, Telegram, ary anatin'ireo vondrona manokana arakaraky ny tanàna ipetrahany ao Okraina, na ireo vondrona hafa anaty tambajotra manohana ireo olona mandositra an'i Okraina, toy ny Host a Sister (Mampiantranoa anabavy/rahavavy iray) , Africans in and outside Ukraine (Afrikàna anatiny sy ivelan'io Okraina), nanomboka ny fandrindràna teo amin'ireo olona mila fanampiana sy ireo olona afaka manome fanampiana . Ohatra, ilay Zimbaboeàna mpianatra, Koko , tao Dnipro any Okraina, dia nikarakara ezaka iraisana tamin'ny alàlan'ny sehatry ny media sôsialy. Nangataka fanampiana izy ho an'ireo Afrikàna mpianatra nila fanampiana, namorona vondrona WhatsApp , nizara maodelina taratasy fanoratana ho an'ny masoivoho , ary torohay tena ilaina rehefa anaty fotoanan'ny krizy .
Nentanina ireo Afrikàna mba hivondrona rehefa handeha hamonjy sisintany. Marobe ireo nitatitra olana momba ny fahazoana vola, ny fisafidianana fitaterana ary ny fiakaran'ny sarandàlana. Ny tsy fisian'ny fampitambaovao mazava avy amin'ireo firenena niaviany dia mety vao mainka hanasarotra ireo olana momba ny fifidramonina rehefa hiampita ny sisintany.
Miharihary fa sarotra kokoa ny toedraharaha eny an-kianja ho an'ireo Afrikàna mpianatra, izay nitatitra ny fiatrehan-dry zareo ny fanavakavahana ara-poko .
Ao anatin'ity bitsika ity, asehon'ny lahatsary iray ireo manampahefana Okrainiàna manakana ireo Afrikàna mpianatra tsy hiditra ny toby iray fandraisana fiarandalamby ho any amin'ny sisintany . Bitsika iray hafa amin'io fahana Twitter etsy ambony io ihany no milaza hoe “tafahitsoka ao amin'ny toby fandraisnaa fiarandalamby ireo Afrikàna, taorian'ny nanakanana an-dry zareo tsy handray fiarandalamby hamonjy toerana azo antoka (any Pôlônina), fa mbola notànana miaraka amin'ireo okraniàna ry zareo #racism #Ukraine #ukraineracism.”
Avy ao amin'ny kaonty Instagram an'i Bernice Fernande isika no manaraka ny diany sy ilay Tanzaniàna nàmany Nenyo, naharitra 24 ora niainga tao Kharkiv hankany Lviv, toerana nampiantranoana azy ireo nandritra ny alina tao amina fiangonana iray, talohan'ny nanomanany ny fiampitàn'izy ireo ho any Pôlônina.
Ireo Zimbaboeàna mpianatra no nizara ny zavatra niainan-dry zareo ny “fanilikilihana sy ny fanavakavahana ” teny amin'ireo toerana fisavàna eny an-tsisintany tao Romania . Teo amin'ny sisintany hidirana an'i Pôlônina, notaterin'ny Nizeriàna iray mpianatra fa “sakanan'ireo mpiandry sisintany izay olona mainty hoditra ary alefan-dry zareo miverina any amin'ny faran'ny laharana , amin'ny filàzana amin'izy ireo fa tsy maintsy ireo ‘Okrainiàna’ aloha no alefa voalohany.”
Nze, Nizeriàna, nibitsika avy eny amin'ny sisintany mankao Pôlônina:
Trekked for more than half a day to the border and still gotta be treated like shit here. Immediately the media guys with camera left, they start pushing us Africans to go back even when have formed a queue like we are pests to be get rid of.
— Nze (@nzekiev) February 27, 2022 ZZZZZ Efa ho tapakandro aho no nandeha an-tongotra hamonjy ny sisintany ary dia tsy maintsy mbola ho toy ny tay ihany koa no iheverana ahy eto. Avy hatrany, taorian'ny nialàn'ireo olon'ny media nilanja ny fakantsarin-dry zareo, nanomboka nanosintosika anay Afrikàna ry zareo, mba handeha any amin'ny faran'ny laharana, sanatria toy ny hoe katsentsitra tokony hoesorina izahay.
“Mpianatra izahay, tsy manana fitaovam-piadiana,” no naverimberina noventesin’ io vondrona Afrikàna mpianatra io teo amin'ilay toerana fisavàna eo an-tsisintany iraisana amin'i Pôlônina, nanandratra ambony ny tànan-dry zareo. Tsy nilanja basy izy ireo fa ny telefaona findainy.
Nohamafisin'ireo tatitry ny media ny filazan'ireo Afrikàna mpianatra ny sedra mafy manjo azy ireo ao Okraina.
The Globe and Mail sy ny Irish Times dia samy nanaraka akaiky ireo tatitra tanaty media sôsialy ary nitafa tamin'ireo Afrikàna niaina fanavakavahana ara-poko. Ny lehiben'ny diplaomasia ao Afrika Atsimo, Clayton Monyela, dia manamafy ny fomba fitondra feno fanavakavahana atao an'ireo Afrikàna eny amin'ireo sisintany pôlôney sy hôngroà.
Raha mitady misimisy kokoa momba ity lohahevitra ity, tsidiho ny pejinay manokana natokana ho an'ny Rosia manani-bohitra ao Okraina [Angl] . |
https://mg.globalvoices.org/2022/03/21/156520/ | Rakipeo: Ahoana no fomba fijerin'ny ilabolantany atsimo ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina | 2022-03-21T04:19:31 | Unknown | Sary natolotr'i Ameya Nagarajan
Ato amin'ity famerenana indray ny Rakipeo Global Voices ity no hiresahan’ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny efitrano famoaham-baovaonay ny mety ho fiantraikany na tsia amin’ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina any Amerika Latina, Azia Atsimo, Azia Atsimo Atsinanana ary Afrika atsimon'i Sahara. Inona no eritreretin’ny olona any amin'ireo faritra ireo momba ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina? Manantena ny governemantany hihetsika ve izy ireo sa tsia? Inona avy ireo fiantraikany maharitra ho an'ireo faritra ireo – toy ny dona amin'ny vidin-tsolika sy ny hanoanana maneran-tany?
Mitondra ho anao ny vaovao any an-toerana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny Rakipeo Global Voices. Isan-kerinandro, mizara ny vaovao manan-danja indrindra ao amin'ny vondrom-piarahamoniny ireo vondrom-piarahamoninay anatiny sy ny fomba famolavolany ny tantarany avy amin'ny zava-misy eo an-toerana. Henoy ary izao ny vaovao manerantany atolotra anao isan-kerinandro avy amin'ny feo any an-toerana.
Raha nahafinaritra anao ity fizarana ity, azafady misoratra anarana ary lazao amin'ny namanao ny momba anay! Afaka manjohy anay amin’ny Twitter ianao. Ny mozika ato amin'ity rakipeo “ Voyage ” ity dia avy amin'ny feonkiran’i NikMartken ato amin'ny vondrom-piarahamoninay midadasika Global Voices.
Podcast: Play in new window | Download |
https://mg.globalvoices.org/2022/03/22/156513/ | Hira maneho ny feon'ny vahoaka voarara any Nizeria sy Ogandà | 2022-03-22T04:27:06 | Unknown | “ Fanomezam-boninahitra ny andro nahaterahan'i Fela Kuti ” Sary avy amin'i Lucy Anne, 15 Oktobra 2010 ( CC BY-ND 2.0 ).
6o taona mahery kely lasa izay, nahazo fahaleovan-tena tamin'ny mpanjanaka ny firenena afrikana. Noheverina fa hitondra fahatsapana vaovao momba ny nasionalisma, ny soa iombonana ary ny mari-panondroana azy ny rivotry ny fiovana. Maro amin'ireo lehiben'ny fanjakana sy ny governemanta anefa no saika nanitsakitsaka ny fampanantenany hampiroborobo endrika fitantanana hafa.
Tafiditra hatrany amin'ny tolona fanafahana sy fahalalahana ho an'i Afrika ny mozika. Tany Afrika Atsimo, niatrika sivana lehibe ny mozika manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra. Toy izany koa, tany Nizeria, nijoro ho firaisankina tamin'ny Afrikana Tatsimo ireo mpitendry mozika, niantso ny famotsorana an'i Nelson Mandela na nitaraina tamin’ny herisetran'ny polisy, naneho ny feon'ny hetsi-panoherana . Nahatsapa ireo mpitendry mozika afrikana ireo fa tsy afaka nanohy nandihy izy ireo raha tsy mendrika hankalazaina ny zava-drehetra manodidina azy.
Nahatsapa ho manana andraikitra hampiasa ny feony izy ireo hiresahana ireo fotoana niainany. Ao anatin’izany, firenena maro no naneho ny feony niaraka tamin'ireo tarika sy mpitendry mozika malaza, na dia neken'ny manampahefana tamin'ny voalohany aza, dia niafara tamin'ny fanasaziana sy/na fandrarana tanteraka azy ireo.
Ao anatin'ity andiany roa ity, hiditra amin'ny tantaran'ireo mpitendry mozika isan-karazany manerana ny kaontinanta isika izay heverina fa miresaka politika loatra ny mozikany ary hamantatra ny antony noheverin'ny governemantany ny mozikan’izy ireo ho ‘mampidi-doza’.
Fanehoana ara-javakanto mampiseho an'i Fẹlá Aníkúlápò Kútì. Sary avy amin'i Danny PiG nalaina tao amin'ny Flickr ny 11 Septambra 2012. ( CC BY-SA 2.0 )
Nandritra ny androm-piainany, nanatri-maso sazy , raharaham-pitsarana, herisetran'ny polisy, ary fandrarana tamin'ny onjam-peo maro be amin'ny mozikany revolisionera ilay Afrobeat malaza efa nodimandry, Fẹlá Aníkúlápò Kútì . Na dia teo aza ny faneren'ny fanjakana, tsy nitsahatra namoaka ireo hira izay miresaka ny Nizeriana sy Afrikana maro manerana izao tontolo izao izy.
Tamin'izany fotoana izany , andron'ny nanjakazakan'ny miaramilan'i Nizeria , voarara ho an’ny onjam-peo rehetra ny mandefa ny hiran'i Kútì ary noheverina ho fahavalom-panjakana izay olom-pirenena rehetra hita nifanerasera tamin'ilay mpitendry mozika revolisionera na mivantana na tamin'ny alalan'ny hirany. Indray andro, notafihin'ny miaramila an’arivony, izay nanao asa ratsy isan-karazany toy ny fanolanana, halatra ary daroka olona ny fonenan'i Fẹlá, tany Lagos, renivohitra ara-toekarena any Nizeria, fantatra amin'ny anarana hoe Repoblika Kalakuta . Nandritra ny fanafihana, natsipy avy eny amin’ny tranobe avo iray ny reniny efa antitra, ka nitarika ny fahatapahan’ny tongony ary niafara tamin’ny fahafatesany izany. Taorian'io fanafihana ara-miaramila tao an-tranony io, namoaka ny “ Zombie ” sy “ Unknown Soldier ” i Fẹlá tamin'ny taona 1981, samy natokana ho an'ireo miaramila nanafika ny tranony ireo hira roa ireo.
Tamin'ny taona 2004, noraràn'ny filoha Nizeriana teo aloha Olúṣẹ́gun Ọbasanjọ́ ilay hira malaza miresaka ny firenena tratran'ny fahantrana mitondra ny lohateny hoe “Jàgà-jágá.” Jàgà-jágá, hira iray niparitaka na dia tany ivelan'i Nizeria aza, nihira am-pahatezerana i Eedris Abdulkareem , nitomany amin'ny fiaretan'ny Nizeriana sy ny aretim-piarahamonina izay niafara tamin'ny fomba fiavotan-tena ho velona manoloana ny fahantrana lalina. Nitarika ny fandrarana ilay hira tamin'ny onjam-peo sy ny fahitalavitra ilay rakikira niteraka resabe, ary nahazoany fanasana ho any amin'ny trano fonenan'ny filoha ( Aso Rock ) ao amin'ny Renivohitra Federaly izay nampitandreman'ny filoha azy mba tsy hamoaka hira maneso ny firenena sy hametraka izany amin'ny songadina ratsy amin'ny tontolo ivelany. Mbola niziriziry ihany ity mpanakanto ity ary namoaka ny fangatahan’ny filoha tamin’ny hira hafa mitondra ny lohateny hoe “” Letter to Mr. President ” nivoaka ny taona nanaraka.
Bobi Wine avy amin'ny Mbowasport, nampiasana lisansa CC BY-SA 4.0
Tamin'ny taona 2017, namoaka hira iray mitondra ny lohateny hoe “ Freedom ” i Robert Kyagulanyi Ssentamu fantatra amin'ny anarana hoe Bobi Wine fony izy mpikambana tao amin'ny Parlemanta tao Ogandà. Nampiasa ny sehatra tamin'ny maha-mpitarika eo an-toerana azy sy ny fitaomana azony natao teo amin'ireo tanora an-tanàndehibe ao amin'ny firenena izy, nikatsaka ny hamaha ny olan'ny firenena amin'ny mpitondra mitondra ela loatra ny hiran'i Bobi. Notanisainy ny Adin'i Bush tany Oganda tamin'ny taona 1980 izay nahitana ny filoha ankehitriny Yoweri Museveni nanongana an'i Milton Obote. Nanotany izy hoe nahoana i Museveni no nmpihatra (indray) izay efa niadiany — nampitaha ny fitondrana ankehitriny amin'ny fanandevozana sy ny fihenjanana tamin'ny rafitra fanavakavaham-bolonkoditra ao Afrika Atsimo.
Nampanalasala an'i Bobi ihany koa ny tanjon'ny lalàmpanorenana Ogandey izay antsoiny hoe fanantenana farany ho an'ny firenena. Notanisainy ny tsy fisian'ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny firenena, mandrisika ny Ogandey hiteny hanohitra ny tsy rariny miaraka amin'ny fahalalahana ho an'ny rehetra — tsy ijerena taona, sarangam-piarahamonina, fivavahana, na fanabeazana misy azy ireo.
Miresaka momba ny herisetran'ny polisy amin'ireo olona monina ao amin'ny tanàna mahantra ao Kampala sy ny tsy fahampian'ny fanampiana omena azy ireo ny iray amin'ireo hirany malaza kokoa, “ Ghetto ”. Tamin'ny volana Aprily 2019, nambenana tao an-tranony i Bobi Wine, ary nandritra izany fotoana izany no namoronany hira iray hafa amin'ny fiteny maro momba ny herisetran'ny polisy mitondra ny lohateny hoe “ Afande ”, teny swahili ilazana ny manamboninahitra.
Nanomboka tamin'ny taona 2018, voarara tsy azo nanaovana fampisehoana, na nalefa an-kalamanjana mihitsy aza ny sasany tamin'ireo hirany, satria nihevitra ny mpiasam-panjakana fa mampiasa ny mozikany amin'ny tanjona ara-politika sy (hanandrata-tena) izy. Fotoana fohy taorian’izay, nambarany ny fahalianany amin'ny firotsahana ho filohan'ny firenena tamin'ny fifidianana izay natao tamin'ny fiandohan'ny taona 2021.
Joining him in the elections circuit was another popular musician Joseph Mayanja also known as Jose Chameleone . His entry into politics by declaring his candidacy for the mayoral position of Kampala, saw his concerts canceled. In 2016, the artist turned politician assaulted a journalist and DJ resulting in his music being banned by Trace TV , a French-based music TV channel that airs music across the globe.
Nanatevin-daharana azy tamin'ny fifidianana ny mpitendry mozika malaza iray hafa antsoina hoe Joseph Mayanja, fantatra ihany koa hoe Jose Chameleone . Nahatonga ny fanafoanana ny fampisehoana nataony ny fidirany tamin'ny politika rehefa nanambara ny firotsahany ho ben'ny tanàna tao Kampala izy. Tamin'ny taona 2016, nivadika ho mpanao politika ilay mpanakanto ary nandratra mpanao gazety sy DJ ka nahatonga ny mozikany ho voarara tao amin’ny Trace TV , fantsom-pahitalavitra mandefa mozika any Frantsa izay mandefa mozika manerana an'izao tontolo izao.
Tadiavo eto ny lisitry ny Spotify Global Voice izay manasongadina ireo sy ireo hira voarara manerana izao tontolo izao. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny mozika voarara, jereo ny fandrakofanay manokana, Striking the Wrong Notes . |
https://mg.globalvoices.org/2022/03/08/156381/ | Olomangan'ny hira feminista manerana an'i Afrika ho fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy | 2022-03-08T11:14:00 | Unknown | Mpihira avy ao Côte d'Ivoire “ Dobet Gnahoré ” avy amin'i ND-Photo.nl izay voamarika ho CC BY-NC-ND 2.0 .
Rehefa nanatevin-daharana izao tontolo izao hankalaza ny andron'ny vehivavy iraisampirenena ny sehatra tsimitsahaketrika Apple Music tamin'ny taona 2019, dia tsy nisy na dia iray aza vehivavy afrikana tao anaty fandaharan-kira Apple’s Global Feminism . Nampihiratra ny maso sy niteraka resabe momba ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fitongilanana eo amin'ny indostrian'ny mozika ny tsy nahitana ireo mpihira feminista monina eto Afrika. Herintaona monja talohan'io, namoaka ny lisitry ny mozika afrikanina taona 2018 ity goavambe teknolojia ity. Ny lisitra tamin'io fotoana io anefa dia nahitana mpihira vehivavy afrikanina fanta-daza, anisan'izany i Teni (Teniola Apata) teraka Nizeriana izay fariparitana matetika ho ilay kintan'ny mozika Afrikana Tomboy Feminista.
Koa satria manatevin-daharana an'izao tontolo izao ny Global Voices amin'ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy amin'ity taona ity izay manana farangoteny ofisialy #BreakTheBias izay mikatsaka ny hanafaka amin'ny tontolon'ny fitongilanana, fitsarana antendrony sy ny fanavakavahana, dia ankalazainay ny zava-bitan'ireo mpihira Afrikana Feminista mpisava lalana izay miantso ny fivelaran'ireo Afrikana vehivavy namany amin'ny alalan'ny fandaharankira.
Na miteny hanohitra ny fanararaotana ara-nofo, ny didipoitram-behivavy (FGM), ny fankalazana ny maha-lahy sy maha-vavy, na ny fampiroboroboana ny miralenta, ho an'ireo mpihira Afrikana feminista ireo, ny mozika no fitaovam-piadiana faratampony indrindra .
Jereo ny fandaharankira Spotify eto ambany ahitana ireo hira malazan'ny mpanakanto toa an'i Fatoumata Diawara, Cesária Évora, Shishani Vranckx, Thandiswa Mazwai, sy ny maro hafa! |
https://mg.globalvoices.org/2022/03/08/156289/ | Tratran'ny fanafihana an'habaka ny governemanta Mozambikana | 2022-03-08T05:33:31 | Unknown | Nosoloin'ny mpisompatra filazana fa “Notafihan'ny Yemenita mpisompatra” miaraka amin'ny sarin-dehilahy iray mitazona fitaovam-piadiana sy sarondoha ny tranonkalan'ny governemanta. Saripika: Giovana Fleck/Global Voices
Notairi n'ny vaovao i Mozambika fa nosimbain'ny vondrona mpisompatra solosaina ny vavahadin-tseraseran'ny governemanta isan-karazany tamin'ny 21 Febroary 2022. Nosoloin'ny filazana fa “notafihin'ny hackers Yemenita” ny pejy voalohany amin'ireo tranonkalan'ny governemanta , nampiarahana tamin'ny sarin'ny lehilahy iray mitondra fitaovam-piadiana sy saron-doha. Tsy mbola fantatry ny tompon’andraiki-panjakana ireo nanao azy ity na ny antony nahatonga azy ireo hanafika.
Website do SENAMI entre outros do Governo hackeados. Vai doer. pic.twitter.com/ortNXcC36n
— Ernânio Mandlate (@ernanio) February 21, 2022
Tranonkala SENAMI ankoatra ny hafa nosomparan'ny Governemanta [?] [an'ny governemanta voasompatra?]. Handratra izany.
Araka ny vavahadim-baovao A Carta , izay fitaovana tranonkala rehetra an'ny governemanta Mozambikana dia tantanana (sy ampiantranon'ny) Ivotoeram-Pirenena Misahana ny Torohay sy Teknolojiam-Pifandraisana eto Mozambika ( INTIC ), sampan-draharaha miandraikitra ny fandrindrana, ny fanopaza-maso ary ny fitsirihana ny sehatry ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Serasera (TIC).
Raha nampiato vonjimaika ny asa rehetra teo amin'ireo habaka ny fanafihana, dia nilaza ny Tale jeneralin'ny Ivotoerana Nasionalin'ny Governemanta Elektronika (INAGE), Hermínio Jasse, fa tafaverina amin'ny laoniny tamin'io andro io ihany ny vavahadin-tserasera rehetra.
Nilaza androany tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, Atoa Ermínio Jasse, tale jeneralin'ny Ivotoerana Nasionalin'ny Governemanta Elektronika (INAGE), fa efa miasa indray ireo vavahadin'ny Governemanta izay lasibatry ny fanafihan'ny mpisompatra. Nohazavain’ny Tale tamin’izany fa tsy nisy very ny torohay ary vonona ho an’ny daholobe avokoa ny votoatin’ny vavahadin-tserasera.
Araka ny filazan'ny tale jeneralin'ny INAGE, ny nihazakazahana taorian'ny nahitana ny olana dia ny fanaovana “fizahana haingana” amin'izay fahasimbana. Nahatsikaritra ny fanadihadiana fa tsy voakitikitika ny votoatin'ny habaka, na dia nilaza ary ireo mpisompatra fa nalaina ny angon-drakitra ary hamidy amin'ny vidiny mora. Hatreto, tsy misy porofo manamarina izany filazana izany, ary zara raha fantatra na tsy misy na inona na inona momba ny tena fivoahan'ny angon-drakitra toy izany.
Na izany aza, naharitra 24 ora ihany ny vahaolana. Ny marainan'ny ampitson'io, 22 Febroary, lasa tsy azo niasa intsony indray ireo tranonkala ireo — tamin'ity indray mitoraka ity, nandefa fangatahana vidim-panavotana ho takalon'ny angon-drakitry ny tranokalan'ny governemanta ireo mpisompatra. Tsy mbola fantatra kosa na mbola ho tafaverina indray ireo ary inona no fepetra horaisina hisorohana ny fanafihana ho avy.
Momba ity lohahevitra ity, nilaza ny talen'ny Orinasam-Pirenena misahana sy Siansa sy ny Vangongo Teknolojia (ENPCT), Julião Cumbane, fa avy amin'ny tsy fahampian'ny fanomanan'ireo andrim-panjakana Mozambikana amin'ny fiarovana ny lahatahirin-dry zareo no fototr'olana.
Tratran'ny fanafihana an'habaka ny GOVERNEMANTA ao Mozambika?!?!… Ikirizanay ny miteny amin'ireo andrim-panjakana sy orinasa (fanjakana na tsy miankina) fa TSY MAINTSY manana KOPIAN'NY DATA sy ny RAFI-TSOLONTSAINA amin'ny toerana azo antoka ry zareo fa TSY NORAHARAHIAN'ireo izay tokony hihaino anay. Ankehitriny ary?
MITANDREMA AMIN'NY E-MAILS MANAFIN-DROHY SOMPATRA
Mampilaza ny CTA amin'ny alalan'ity (fanambaràna ity) fa nisy nanao klôna ny valanareo imailaka ary nisy nandefa ny misy rohy manafina fisomparana. Aza kitihina ireo rohy ireo raha mbola eo an-dalana ny asa fanadiovana anatiny. Raha vantany vao vita izany dia ampahafantarinay anareo. Misaotra anareo amin'ny fahazoana. |
https://mg.globalvoices.org/2022/02/05/155895/ | Tamin'ny taom-pifidianana iray, nihena ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety any Angola | 2022-02-05T05:11:41 | Unknown | Tamin'ny volana Aprily 2021, nandidy ny fampiatoana ny asan'ny TV Record África ao amin'ny firenena ny governemanta Angola, noho ny tsy fanarahan-dalàna. Sary: Giovana Fleck/Global Voices
Hanatontosa fifidianana volana Aogositra 2022 izay hananganana ny Parlemanta vaovao sy ny filohan'ny Repoblika i Angola. Voafidy tamin'ny taona 2017 ny Filoham-panjakana ankehitriny, João Lourenço, avy ao amin'ny antoko Hetsi-bahoaka ho an'ny Fanafahana an'i Angola (MPLA). Voafidy i Lourenço taorian'ny fametra-pialàn'ny teo alohany, José Eduardo dos Santos rehefa teo amin'ny fahefana nandritra ny 30 taona mahery.
Niorina tamin'ny taona 1956, nitantana an'i Angola hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany tamin'i Portiogaly tamin'ny taona 1975 ny MPLA . Nanomboka teo dia izy no antoko lehibe indrindra ao amin'ny firenena, ka vokatr'izany, dia mifehy ny seha-pitantanana sy ny ara-tsosialy isan-karazany, anisan'izany ny media.
Nandritra ny fitondran'i José Eduardo dos Santos, noheverina ho firenena nandrahona ny fahalalaham-pitenenana sy ny asa fanaovan-gazety i Angola, indrindra indrindra noho ny fandraràna ny fihetsiketseham-bahoaka sy ny fisamborana ireo mpikatroka mpanohitra sy mpanao politika.
Iray amin'ireo tranga marika, izay noraketin'ny Global Voices [mg] tamin'ny taona 2016, ny nitazonana ilay mpikatroka 17 taona rehefa avy niresaka momba ny boky iray izay noheverin'ny governemanta teo aloha ho “fitaovam-piadiana”. Navotsotra izy ireo volana vitsivitsy tatỳ aoriana.
Nanantena fiovana ireo mpifidy tamin’izy ireo nifidy ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’ny taona 2017. Na dia toa nampanantena aza izy tamin’ny voalohany nanombohany ny fe-potoam-piasany, dia hita fa nitovy hatrany ny fotoana nitondrany. Mbola tsy manana zo hanao fihetsiketsehana sy mbola miatrika fisamborana sy fanagadrana tsy ara-drariny ny olom-pirenena eo ambany fitondrany.
Fahalalahana fototra amin'ny taom-pifidianana
Nahitana fihenjanana nanomboka tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2017 tao Angola, voamariky ny fihetsiketsehana sy ny fifandirana ara-politika. Nidina an-dalambe ny vahoaka tamin'ny taona 2021 taorian'ny nankatoavana ny lalàm-pifidianana, na dia mbola tsy nisy marimaritra iraisana aza teo amin’ ireo mpisehatra ara-politika lehibe ao amin'ny firenena.
Ankoatra ny hetsi-panoherana, niharan'ny fahasahiranana ihany koa ny fampahalalam-baovao (anjakan'ny fanjakana Angola), indrindra amin'ny fantsom-pahitalavitra sy gazety izay miely patrana. Misy ifandraisany amin'ny fampiatoana ny fantsom-pahitalavitra tsy miankina niasa teto amin'ny firenena ity tranga farany indrindra ity.
Nanomboka tamin'ny volana Aprily 2021 ny tranga voalohany rehefa nanobe baiko ny fampiatoana ny asan'ny TV Record Africa ao amin'ny firenena ny governemanta Angola, noho ny tsy fanarahan-dalàna. Iray amin'ireo vondrona fahitalavitra ara-barotra lehibe indrindra any Brezila ny Record. Nanamarina ny fampiatoana ny sampana TV Breziliana ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra, ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao ary ny Fifandraisana Sosialy (MINTTICS) tamin'ny filazana fa olom-pirenena “tsy nasionaly” ny tale mpanatanteraka azy.
Tamin'io fotoana io ihany, naato ihany koa ny vondrona media iray hafa, izay miasa amin'ny fantsom-pahitalavitra, antsoina hoe ZAP noho ny fiahiahiana ny tsy ara-dalàna amin'ny asany. Tamin’izany fotoana izany, nilaza ny manam-pahefana fa ny tombatombana nataon’io Minisitera io no nahafantarana fa nisy ireo gazety sy gazetiboky ary onjam-peo misoratra anarana eto amin’ny firenena, saingy tsy mahomby ny asany.
Ho setrin'izany, niantso ny governemanta hampitsahatra ny fampiatoana, miantso ny mpanatanteraka hampitsahatra ny fanenjehana ny haino aman-jery mitsikera ny Governemanta i Angela Quintal, mpandrindra ny fandaharan'asan'ny Komitin'ny Fiarovana ny Mpanao Gazety (CPJ) eto Afrika:
Com a aproximação das eleições do próximo ano, o Presidente João Lourenço e a sua administração deveriam promover a pluralidade de perspetivas nos ‘media’ e assegurar que o Estado não tem o monopólio da informação crucial para o público tomar decisões fundamentadas.
Satria efa ho antomotra ny fifidianana amin'ny taona ho avy izao, tokony hampiroborobo ny fimaroam-pijery amin'ny haino aman-jery ny filoha João Lourenço sy ny fitantanan-draharahany ary miantoka fa tsy manao ampihimamba ny vaovao manan-danja ho an'ny vahoaka mba handray fanapahan-kevitra mazava ny fanjakana.
Tamin'ny Janoary 2022, nambara ihany nony farany fa havadika amin'ny fitantanam-panjakana ireo fantsona. Nitranga izany raha nanapa-kevitra ny Biraon'ny Fampanoavana fa ny fitantanana ny orinasa ZAP Media S.A sy Finstar dia tokony hatolotra ny Minisitera izay manara-maso ny haino aman-jery ao Angola, izay tsy maintsy miantoka ny famerenana indray ireo mpiasa voaroaka tao amin'ny fantsona.
Tamin'ny tatitra nataony vao haingana momba an'i Angola, nisarika ny saina manoloana ny fitomboan'isan'ny fanitsakitsahana ny fahalalahana fototra ao Angola, izay mifantoka amin'ny sehatrasa fanaovan-gazety ny Human Rights Watch.
O Comité de Protecção dos Jornalistas, CPJ, relatou pelo menos seis outros casos de queixas por difamação criminal contra jornalistas em Angola desde Março de 2021. Milhões de angolanos em todo o país continuam a ter acesso a informação livre, diversa e imparcial, uma vez que Angola continuou a ser o único país da África Austral sem estações de rádio comunitárias.
Nitatitra tranga enina farafahakeliny tamin'ny fitoriana mpanao gazety any Angola amin'ny fanalam-baraka nanomboka tamin'ny volana marsa 2021 ny Komity Fiarovana Mpanao Gazety, CPJ. Angoley an-tapitrisany manerana ny firenena no mbola mahazo vaovao malalaka sy samihafa ary tsy mitongilana satria i Angola irery ihany no mbola firenena atsimon'i Afrika tsy manana onjam-peon'ny fiarahamonina. |
https://mg.globalvoices.org/2022/02/05/155898/ | Voasakana tsy hiditra tao Mozambika ny teratany Nizeriana iray, namelona indray ny adihevitra momba ny fivezivezena aty Afrika | 2022-02-05T09:38:38 | Unknown | Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena ao Maputo. Sary: Wikimedia nampiasana lisansa CC BY-SA 2.0
Nahatonga ny fivezivezen’ny olona ho ivon'ny adihevitra ho an’ny besinimaro any Afrika ny valan’aretina COVID-19. Noho ny fepetram-pandehanana lavitra sy ny famerana isan-karazany isa-pirenena no nahatonga izany. Vao haingana, nampitombo ny fiampangana fanavakavaham-bolon-koditra sy ny nasionalisma tafahoatra ny famerana ny fivezivezena tany amin'ny firenena sasany any amin'ny faritra atsimon'i Afrika.
Tsy nisy hafa tamin’izany no niseho hatramin'ny nipoiran'ny valan'aretina tao Mozambika. Tamin'ny volana marsa 2020 indrindra no niseho ny tranga voalohany, tamin'ny nametrahan'ny manam-pahefana eo an-toerana famerana amin'ny fomba ahafahan'ny olona miditra ao amin'ny firenena fa mitaky ihany koa ny fanaovana fitiliana sy fanokanan-toerana, fa tsy ny fanaovana vaksiny.
Na izany aza, ny taona 2022, nahatonga tatitra fanaovana tsinontsinona ataon'ny manampahefana ao amin'ny firenena ny adihevitra momba ny fameperana. Nitranga tamin'ny 23 Janoary ny ohatra farany indrindra, rehefa nosakanana tsy hiditra ao Mozambika ilay teratany Nizeriana Pamela Aide.
Nilaza ny manampahefana fa tsy manana antontan-taratasy hidirana ny firenena izy. Fanampin'izany, tsy nahazo visa izy teo am-pahatongavana, mifanohitra tamin'ny fampahalalana azony avy amin'ny sampan-draharahan’ny fifindra-monina ao amin'ny fireneny.
Rehefa tonga tany Mozambika, nilaza ny manam-pahefana misahana ny fifindra-monina fa mila taratasy fanasana sy fanondroana ny momba ny toerana hipetrahany izy. Rehefa nampodiana i Pamela dia nanapa-kevitra ny hamoaka ny raharaha tao amin'ny Twitter ary nahazo fampitan-tsioka maherin'ny 9.000, fanehoan-kevitra maherin'ny 1.000 ary tiako mihoatra ny 15.000. Mitantara eto i Pamela Aide:
I left Lagos to Mozambique last week. I planned to be there for about a week and return to Nigeria. As I always do before travel, I researched travel & visa requirements. What I found for citizens of Nigeria is that we can get visa on arrival.
— Pamela Adie (@pamelaadie) January 23, 2022
Nandao an'i Lagos nankany Mozambika aho tamin'ny herinandro lasa. Nikasa ny ho any nandritra ny herinandro teo ho eo aho ary hiverina any Nizeria. Tahaka ny ataoko foana alohan'ny dia, nanao fikarohana momba ny dia sy ny momba ny visa aho. Ny fahazoana visa any am-pahatongavana no hitako tao ho an'ny olom-pirenena Nizeriana.
The worst part is that I don’t know where to file my complaint for this injustice meted on me. What I have now is social media to sound the alarm and to warn others who might want to visit their godforsaken country. #Mozambique
— Pamela Adie (@pamelaadie) January 23, 2022
Ny tena ratsy indrindra, tsy fantatro hoe aiza no hametrahana ny fitarainako momba ity tsy rariny nihatra tamiko ity. Ny tambajotra sosialy hampanenoana ny fanairana sy hampitandremana ny hafa izay mety te hitsidika ity firenena mampijaly ity no ananako ankehitriny. #Mozambika
Mozambikana maro no nahatsikaritra ny adihevitra, izay nanameloka ny fihetsiky ny manampahefana misahana ny fifindra-monina, naneho firaisankina tamin'ilay mpandeha.
I saw a thread earlier about another bad experience with Mozambican immigration services and I don’t really have much to say. It’s unfortunate that someone has gone trough such a stressful experience trying to visit #Mozambique .
— Leocádia (@Leocadeea) January 23, 2022
Vao haingana aho no nahita andiam-panehoan-kevitra momba ny zavatra nampalahelo hafa nataon’ny sampan-draharahan’ny fifindra-monina Mozambikana ary tsy manan-kambara firy aho. Mampalahelo fa misy olona mandalo tranga manahirana toy izany rehefa hitsidika an’i #Mozambika .
🥺🥺 the sad part is that I have witnessed such things happening , it is so frustrating. I am Moz , and i almost lost it trying to help someone. seems that the visa on arrival works only for travelers from US or Europe! https://t.co/4zyR1kTsfo
— Fernanda Matsinhe (@nandamatsinhe) January 23, 2022
🥺🥺 ny mampalahelo dia (imbetsaka) no nahitako toy izany, tena mahasorena. Moz(ambikana) aho, ary saika tsy nahazo aho rehefa niezaka nanampy olona. toa tsy natao afa-tsy ho an'ny mpandeha avy any Etazonia na Eoropa ihany ny visa eo am-pahatongavana! https://t.co/4zyR1kTsfo
Nandeha lavidavitra ny sasany amin'ireo mpisera tamin'ny fanondroana ny lisitr'ireo firenena hiheveran’azy ireo ho ao anatin'ny ”lisitra mainty”:
Places I won't advise Nigerian to visit.
1. South Africa 2. Uganda ( Remember Tems arrest) 3. Mozambique ( Learn from this Experience)
4. Infact don't visit any African Country, it's better to visit an European Country with racism and more opportunities.
— Ullah (@__Ullah) January 23, 2022
Toerana tsy tsara hotsidihin’ny Nizeriana.
Ogandà ( Tsarovy ny nisamborana an'i Tems)
Mozambika ( Ataovy anatra ity tranga ity)
Raha ny marina, aza mitsidika firenena afrikana, tsara kokoa ny mitsidika firenena Eoropeana misy fanavakavaham-bolon-koditra nefa misy fahafahana bebe kokoa.
Tao anat fanehoan-kevitra, nipoitra ny adihevitra momba ny fahasahiranana manodidina ny dia ao anatin'ny kaontinanta, izay matetika ahitana ny fitakiana antontan-taratasy mananosaro-javatra izay manakana ny fivezivezen’ny Afrikana anatiny.
Im so sorry this happened to you. This is one of the biggest problem with traveling across Africa as an African. It’s so hard to get the information you need and then most of the officials are not educated enough to know how to treat tourists.
I really hope Africa will change!
— Tayo Aina (@tayoainafilms) January 23, 2022
Mampahery anao aho tamin’ny zava-nitranga taminao. Io no iray amin'ireo olana lehibe indrindra amin'ny fivezivezena manerana an'i Afrika rehefa Afrikana. Sarotra tokoa ny mahazo ny vaovao ilaina ary ny ankamaroan'ny tompon'andraikitra dia tsy ampy fahaizana firy amin’ny fomba fandraisana ny mpizaha tany.
Antenaiko mihitsy ny hiovan'i Afrika!
This is why we African people have to learn critical race theory from the Black Diaspora. The unnecessary bureaucratic work that happens in our government offices are directly descended from colonialism. Thanks for your post and helpful responses you are receiving.
— Koɗi 😷🏡💉 (@redneurons) January 23, 2022
Izany no antony tsy maintsy ianarantsika Afrikana ny teorian'ny volonkoditra avy amin'ny Mainty any ampielezana. Avy amin'ny fanjanahantany mivantana ny fanjakam-birao tsy voatery ilaina hita any amin'ny biraom-panjakana. Misaotra tamin'ny hafatrao sy ny valiny mahasoa azonao.
Araka ny zava-niseho dia nisy ny olom-pirenena namoaka vahaolana ka nipoitra ny tolo-kevitra, toy ny nataon'ireo nanolotra fanampiana ho an'ireo izay te handeha ho any Mozambika amin'ny manaraka:
As a Mozambican I am so sorry this happened to you. My father is a former ambassador of Mozambique so If you ever consider coming back to Mozambique, Please please don't hesitate to contact me and I'll make sure your trip to mozambique is nothing but delightful. Again I am sorry
— Silva Menezes🇲🇿🌍 (@ArlesioSilva) January 23, 2022
Amin'ny maha-Mozambikana ahy, malahelo aho amin’izao nitranga taminao izao. Ambasadaoron'i Mozambika teo aloha ny raiko ka raha mieritreritra ny hiverina any Mozambika ianao, miangavy re, aza misalasala mifandray amiko ary hataoko azo antoka ny hahatonga ny dianao mankaty Mozambika hahafinaritra. Mbola miala tsiny hatrany aho |
https://mg.globalvoices.org/2022/02/09/155983/ | (Fony) Senegaly ambivitry ny handrombaka ny amboaran'i Afrika | 2022-02-09T04:36:32 | Unknown | Mpiondana Senegaly nandritra ny lalao nifanandrinany tamin'i Polonina tamin'ny Mondialy FIFA 2018 tao Rosia. Saripika avy amin'i Екатерина Лаут rch via Wikimedia Commons, 20 Jona 2018 ( CC BY-SA 3.0 )
Efa nikoriana hatry ny ela dia ela ny fanirian'i Senegaly handrombaka ny Africa Cup of Nations (AfCON na Coupe d'Afrique des Nations) ho fanamafisana ny maha-manana ny heriny lehibe azy eo amin'ny sehatry ny kaontinanta. Tamin'ity taona ity anefa, hofaranany hatreo ny tsi-fananany amboara, manantena ny mpankafy fa ho efa zavatra taloha izany fiadiana mafy ny mba hananana amboara izany.
Nanao dingana lehibe ny Lionan'i Teranga tamin'ny 3 febroary teo, mba hampitsaharana ny fikatsahan-dry zareo amboara notsiriritina fatratra, rehefa tafakatra dingana famaranana fanintelony teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika teo amin’ny tantarany, rehefa tafakatra famaranana ihany koa tamin'ny taona 2002 sy ny taona 2019.
Rehefa nangirifirin'ny faharesena nanoloana an'i Kamerona sy i Alzeria tamin’ireo fotoana ireo, dia hifanandrina amin’ny fahavalony hafa ao Afrika Avaratra indray, amin’ny fiatrehana ny Egyptiana tompondaka amin’ny lalao famaranana ao amin’ny kianjan’i Olembe ao Kamerona (t)amin'ny 6 febroary.
Ity no mety ho taona tsara indrindra eo amin'ny tantaran'ny firenena, fotoana andrasan'ny firenena iray manontolo. Ny fankalazana taorian'ny fandresen'izy ireo an'i Burkina Faso teo amin'ny lalao manasa-dalana tamin'ity taona ity no topimason'ny hafaliana handevona ireo Senegasy mpankafy baolina fandaka raha toa ka mandresy amin'ny famaranana ny ekipany:
Semifinal mood for #TeamSenegal 🥳 pic.twitter.com/BjyEKBnUvw
— B/R Football (@brfootball) January 30, 2022
Toe-tsaina manasa-dalana ho an'ny #TeamSenegal 🥳
Rond point Yoff 🔥 #TeamSenegal ❤️ pic.twitter.com/4km8pSN9mX
— MLD 🇸🇳 (@mamadoulemind) February 2, 2022
Saikou Seydi, Senegaly mpanao gazety resaka football, any Kamerona mitantara ny fifaninanana ho an'ny Emedia Invest Group, no nilaza tamin'ny Global Voices hoe:
This can be our year. I think that since 2017, we have been asking if it is the right time. But there is more hope for this year. The main strength of the team this year is their spirit of togetherness. The entire nation is behind this team. We have never seen such support in the previous years and it shows they want to win this trophy.
Ity no mety ho taonantsika. Heveriko fa efa nanomboka tamin'ny taona 2017 isika no nanontany raha izao no fotoana mety. Fa mbola betsaka kokoa ny fanantenana amin’ity taona ity. Ny tena tanjaky ny ekipa amin’ity taona ity dia ny toe-tsain’ny fiarahana. Ny firenena iray manontolo no ao ambadik’ity ekipa ity. Tsy mbola nahita fanohanana toy izany isika taloha ary mampiseho fa maniry ny hahazo ity amboara ity ry zareo.
Mitsabo ny ratran'ny lasa
Efa in-16 i Senegaly no tafakatra hatrany tamin’ny fifanintsanana CAN atao isaky ny roa taona, andiany roa monja (taona 2010 sy 2013) ihany izy no tsy hita hatramin'ny taona 2000. Izy ireo no firenena tsara laharana indrindra amin’ny baolina fandaka eto amin’ny kaontinanta, saingy tsy manana amboara haseho amin’izany.
Na dia noheverina ho goavana amin'ny baolina fandaka afrikanina aza ny Lionan'i Teranga dia mbola eo ambany aloky ny mpifanandrina aminy izay nahomby kokoa toa an'i Nizeria, Côte d'Ivoire ary Ghana, izay efa samy nahazo ny amboara in-droa farafahakeliny.
Nandritra ny taona maro, zatra tsy nahomby i Sénégal, saingy mino i Saikou fa ny fandrombahana ny amboaran'ny Firenena no hitondra an'i Sénégal “hivoaka ny haizina”, ary hisy dikany lehibe ho an'ireo mpankafy azy eran'izao tontolo izao:
Senegalese fans are not the only people expecting Senegal to win the trophy. Many African nations believe Senegal has to be compensated because they deserve it. It would be a big relief. It would be a perfect reward to all the previous generations who fought hard to ensure football in Senegal attains this height. Our prayer is to see this current generation win the trophy. They are reaping the fruit of what they planted.
Tsy ny mpankafy Senegaly irery ihany no manantena an’i Senegaly hahazo ny amboara. Firenena Afrikana maro no mino fa tsy maintsy omena valisoa i Senegaly satria mendrika azy izany. Ho fanamaivanana lehibe izany. Ho valisoa tonga lafatra ho an'ireo taranaka teo aloha rehetra izay nitolona mafy mba hahazoana antoka fa hahatratra io haavony io ny baolina kitra any Senegaly. Ny vavaka ataonay dia ny hahita ity taranaka ankehitriny ity hahazo ny amboara. Mijinja ny vokatry ny namboleny ry zareo.
Mandrava ny ozon-taranaka?
Taranaka mpilalao manan-talenta maro no nisolo tena an'i Senegaly, saingy ny tsy fahombiazan'izy ireno no mety ho hery manosika ny ekipa ankehitriny. El Hadji Diouf, efa indroa nahazo ny mpilalao afrikaninan'ny taona, nilalao tamin'ny lalao famaranana tamin'ny 2002, no niteny tamin'ny CAF Online tamin'ny volana lasa teo:
It’s hard. When you look at the generations of [talent] that have come and gone in the national team, it’s unbelievable that we haven’t yet managed to win the trophy. But I am convinced when Senegal wins their first trophy then it would be very difficult to dislodge them from the top.
Sarotra. Raha jerena ireo taranaka [manantalenta] tonga sy lasa teo amin’ny ekipam-pirenena, dia tsy mampino ny hoe mbola tsy nahavita nandrombaka ny amboara. Saingy resy lahatra aho rehefa azon'i Senegaly ny amboarany voalohany dia sarotra ny manala azy ireo eo amin'ny tampony.
Matoky ny fahafahan'i Senegaly handresy i Diouf. Ny ankoatra izay, hoy hatrany izy, dia ho voina be, raha ny fahitana ny fisian’ny talenta maro toy izao. Ananan-dry zareo ny kinga indrindra amin'ny baolina fandaka afrikanina toa an'i Edouard Mendy eo amin'ny mpiandry haraton'i Chelsea, Kalidou Koulibaly ao Naples amin'ny fiarovana (vodilaharana), Idrissa Gueye irakiraka ao Paris Saint-Germain eo afovoany, ary i Sadio Mane mitarika ao amin'ny fanafihana.
Sadio Mané has three goals and two assists in six AFCON games for #TeamSenegal ✨ pic.twitter.com/d5uCMxMugm
— B/R Football (@brfootball) February 2, 2022
Nahatafiditra baolina intelo sy nanome tolotra nahatafiditra baolina indroa tamin'ny lalao enina ho an'ny #TeamSenegal i Sadio Mané nandritra ny CAN ✨
Sadio Mane, ilay lohalaharan'i Liverpool, no mpilalao niavaka indrindra tamin'ny ekipany tamin'ny fifaninanana, nahafaty baolina be indrindra (3) sy nanome tolotra (2). Nanampy ny kliobany ihany koa izy hamarana ny fiandrasana naharitra 30 taona hahazoana ny anaram-boninahitra Premier League ary nahazo ny UEFA Champions League niaraka tamin'ny Reds tamin'ny taona 2019. Nahazo mari-boninahitra maromaro teo amin'ny sehatry ny kliobany ilay 29 taona, saingy saro-tratrarina hatrany ny hahazo amboara niaraka tamin'i Sénégal .
Nanazava i Saikou:
Having a player like Sadio in your team is hugely beneficial. [He] has always had an impact. If we [have been] able to get to this stage of the competition, it is thanks to him. We can really count on him to win this trophy.
Tena ahazoana tombony betsaka ny fananana mpilalao toa an'i Sadio ao amin'ny ekipanao. Nisy fiantraikany hatrany [izay nataony]. Raha [efa] tafakatra amin'ity dingana amin'ny fifaninanana ity isika dia isaorana azy izany. Tena afaka miantehitra aminy izahay mba hahazoana io amboara io.
Saro-takarina ihany anefa ny nandrasana amin'ny fiadiana ny amboaran'ny firenena 2021, na dia eo aza ny famantarana fa ho tanteraka ny faminaniana. Misy fahabangana hafahafa ny nataon'i Senegaly tamin’ny lalao voalohany tamin’ny vondrona B nifanandrinana tamin’i Zimbaboe, ary nila penalty mba handresena ny Warriors ho fanombohan'ny fandresena. Taorian’ny ady sahala indroa tsy nahatafidiram-baolina tamin’i Guinée sy Malawi, dia nahazo laharana voalohany tsy resy ary tsy nahatafidiram-baolina .
Avy eo ry zareo niditra tamin'ny fifanintsanana mivantana ka nitombo fahatokisan-tena, nandresy ny ekipan'i Cape Verde miisa sivy teo an-kianja (2-0), nandresy an'i Guinée Equatoriale (3-1) teo amin'ny ampahefa-dalana, avy eo nandavo an'i Burkina Faso ( 3-1) hirosoana any amin'ny famaranana.
Notohizan'i Saikou hoe:
I’m not surprised we reached the final. We have a good squad with most of our players on the books of most top European clubs. […] Our objective has always been to win the trophy.
Tsy gaga aho fa tonga tamin'ny famaranana izahay. Manana ekipa tsara izahay raha fandrihan'ny ekipa eoropeana ambony ho azy ny ankamaroan'ny mpilalao. […] Ny hahazo ny amboara hatrany no tanjonay.
Hatramin'izao aloha dia nisedra zavatra maro i Senegaly. Noho ny tranga COVID-19 maromaro voarakitra ao amin'ny ekipa, dia voatery nilalao tsy nahitana ny ankamaroan'ireo mpilalao kitro-ifaharana matetika ry zareo, raha tsy nampilalaovina noho ny ratra nahazo azy ny hafa. Nisy ihany koa ny gidragidra teo amin’ny Senegaly Football Association sy ny Watford, klioba ligy voalohany anglisy, momba ny famotsorana an’i Ismaïla Sarr, izay nisy fiantraikany teo no ho eo, na dia tonga antenatenan’ny fifaninanana aza izy.
Valisoan'i Cisse?
Aliou Cissé, mpanazatra ny football senegaly. Sary avy amin'i Екатерина Лаут via Wikimedia Commons, 19 Jona 2018 ( CC BY-SA 3.0 )
Tsy misy olona azo lazaina ho maniry mafy ny hahazoan'i Senegaly ny Amboaran'i Afrika amin'ny Firenena mihoatra an'i Aliou Cisse.
Tamin’ny taona 2002, anisan’ireo mpilalao tsy nahatafiditra penalty nandritra ny Tifitra harato tamin’ny lalao famaranana ity kapitenin’ny Lionan'i Teranga teo aloha ity, raha resin’i Kameronina, niaro ny voninahiny maha-tompondaka azy, tamin'izany fotoana izany. Telo ambin'ny folo taona taty aoriana, voatendry ho mpanazatra ny ekipam-pirenen'i Senegaly izy, ary nanomboka teo izy nanao izay nahatonga ny ekipa hanana ny fanjakazakany — saingy tsy afaka taminy nandritra ny taona maro ny fanakianana.
Nihamafy ny tsikerea raha mendrika azy ny toerana raha tafavoaka mialoha tamin'ny ampahefa-dalana tamin'ny fiadiana ny amboara 2017 ny ekipa, rehefa lavon'ny ekipan'i Kamerona; sy tamin’ny taona 2019, rehefa resy nanoloana an’i Alzeria izy ireo. Na dia nahazo ny fon'ny mpitsikera sasany aza i Cisse, dia azo antoka fa ho voavaly faty izy raha toa ka azon'i Sénégal ny CAN ao amin'ny tany Kamerona.
Araka ny hevitr'i Saikou, ny “nofiratsin'i Cisse indrindra dia ny nifanandrina tamin'i Kamerona, ka ho tsara ny fahazoana [ny amboara] any Kamerona. Ho valisoa ho azy izany.” Ho valisoa koa ho an'ireo mpilalao niasa mafy tokoa izany, sy ho an'ireo Senegaly mpankafy baolina fandaka maro manerana izao tontolo izao izay maniry ny hahita ny ekipa hanatontosa ny fahaizany. |
https://mg.globalvoices.org/2022/03/03/156143/ | Maneho ny ahiahiny momba ny Volavolan-dalàna mikasika ny Zon'ny mpamorona any Kenya ireo vondrona ara-panatanjahatena manerantany | 2022-03-03T04:52:13 | Unknown | “Fidio izay tompon'andraikitra: adihevitra mivantana amin'ny fahitalavitra miaraka amin'ireo kandidà ho Filohan'ny Vaomiera manaraka #TellEUROPE” avy amin'ny Parlemanta Eoropeana nahazo lisansa CC BY-NC-ND 2.0
Nanoratra taratasy misokatra ho an'ny governemanta Kenyana ny fiaraha-mientan'ny fikambanana ara-panatanjahantena manerantany tamin'ny Desambra 2021, maneho ny ahiahin'izy ireo momba ny Volavolan-dalàna Fanitsiana ny Zon'ny mpamorona (copyright) ao Kenya eo anatrehan'ny parlemanta Kenyana amin'izao fotoana izao, ary manamarika fa mety hahatonga ny votoaty ara-panatanjahantena ho sarotra idirana ao amin'ny firenena izany.
Manahy ny Fiaraha-mientana fa hamela ny fampandrenesana fanesorana ho azo foanana ny fanovana natolotra hafoanana ny fizarana 35B, 35C ary 35D momba ny Lalàna mifehy ny Zon'ny mpamorona. Ahafahan'ny tompon'ny zon'ny mpamorona sy ireo tompon'ny zo mifandraika amin'izany hifehy ny asan'izy ireo sy ny fahafahana manao izany amin'ny sehatra an-tserasera ny fampandrenesana fanesorana. Araka ny filazan'ny mpandinika, hahatonga ny fanaovana piraty votoaty hiroborobo ilay fanitsiana.
Ampiasain'ny tompon'ny zon'ny mpamorona maneran-tany ny fampandrenesana fanesorana mba hanerena ireo sehatra an-tserasera hanaisotra votoaty mandika ny zon'ny mpamorona .
Raha lany ho lalàna ny volavolan-dalàna fanitsiana, dia hanohitra ny fironan'izao tontolo izao i Kenya. Miaro ny zo fananana ara-tsaina an'ireo tompon'ny zon'ny mpamorona amin'ny sanganasan'izy ireo ny fampandrenesana fanesorana . Zava-dehibe ho an'ny tompon-jo ara-panatanjahantena izy ireo, izay manaisotra votoaty tsy nahazoana alalana, izay tena ilaina amin'ny fiarovana ny lanjan'ny fanatanjahantena alefa mivantana. Matahotra ny fanitsiana ny sasany sao mety hahatonga ny Kenyana saranga antonony ho very fialam-boly ara-panatanjahantena ny fanitsiana satria mety hanaisotra ny serivisiny ny sehatra ara-botoaty.
Any amin'ny faritra sasany amin'izao tontolo izao, indrindra any Eoropa, nohamafisina mba hifehezana bebe kokoa ny tontolon'ny fanatanjahantena alefa mivantana ny lalànan'ny zon'ny mpamorona sy ny fampandrenesana fanesorana. Mety hanakana an'i Kenya tsy handray anjara amin'ny programa Fifanarahana momba ny Fitomboana sy ny Hirika ao Afrika – African Growth and Opportunity Agreement (AGOA) ilay volavolan-dalàna. Iray amin'ireo fepetra fanampiny amin'ny fanavaozana izany izay mitaky fanoloran-tena voaporofo amin'ny fiarovana ny zon'ny mpamorona ho fepetra voalohany takiana amin'ny sonia, manohintohina ny fahatokisan'ny mpampiasa vola .
Nilaza ny filohan'ny Fiaraha-mientan'ny Tompon'ny Zo Ara-panatanjahantena – Sports Rights Owner Coalition (SROC) Mark Lichtenstein fa fa “manahy mafy” ny amin'ny mety ho fiovana amin'ny Lalànan'ny Zon'ny mpamorona ao Kenya ireo mpikambana ao aminy. Firaisankin'ireo vondrona ara-panatanjahantena iraisampirenena sy nasionaly maherin'ny 50 ny Fiarahamientana, misolo tena ny sasany amin'ireo fitsipika sy fifaninanana ara-panatanjahantena malaza manerantany, toy ny English Premier League, London Marathon, World Tennis Association (WTA), UEFA, Rugby World Cup, ankoatra ny hafa. .
Ny volavolan-dalàna fanitsiana ny zon'ny mpamorona 2019, dia mirakitra fitsipika avy amin'ny fifanarahana amin'ny Aterineto tamin'ny taona 1996 an'ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fananana Ara-tsaina (WIPO), izay mikendry ny fanakanana ny fidirana sy fampiasana tsy nahazoana alalana ireo sangan'asa famoronana. Araka ny filazan'ny Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Kenya Copyright Board (KeCOBO), Edward Sigei :
Take-down notices are a critical tool for copyright holders and related rights holders to fight digital content piracy by controlling the distribution and economic viability of their work and how it is accessed online.
Fitaovana manan-danja ho an'ny tompon'ny zon'ny mpamorona sy ny tompon'ny zo mifandraika amin'izany ny fampandrenesana fanesorana mba hiadiana amin'ny fanaovana piraty ny votoaty ankihy amin'ny alàlan'ny fanarahamaso ny fitsinjarana sy ny fahavelomana ara-toekarena ny sangan'asan'izy ireo ary ny fomba hidirana amin'izany amin'ny aterineto.
Ny KeCOBO no tompon-daka amin'ny Mpiara miombon'antoka miady amin'ny Piraty- Partners Against Piracy (PAP), fiarahamiasa amin'ireo fikambanan'ny indostrian'ny orinasa mitovy hevitra sy tompon'ny zon'ny tsirairay mba hanampy amin'ny ady amin'ny piraty. Tonga nanohana ny fanambaran'ny Fiahara-mientan'ny Tompon'ny Zo Ara-panatanjahatena ny PAP.
Across the world, they help to safeguard the intellectual property rights of sports rights owners. If rights owners cannot request that pirated sports content is taken down immediately, that will threaten the future of live sports broadcasts in Kenya. Why would international sports media allow sports broadcasts in Kenya, if they have no way of stopping them from being pirated?
Manampy amin'ny fiarovana ny zo momba ny fananana ara-tsaina an'ireo tompon-jo ara-panatanjahantena manerana izao tontolo izao izy ireo. Raha tsy afaka mangataka ny hanesorana avy hatrany ny votoaty ara-panatanjahantena niharan'ny piraty ireo tompon-jo, dia hanohintohina ny hoavin'ny fampitam-baovao mivantana momba ny fanatanjahatena any Kenya izany. Nahoana no avelan'ny fampahalalam-baovao ara-panatanjahantena iraisam-pirenena ny fandefasana ara-panatanjahantena any Kenya, raha tsy manana fomba hanakanana azy ireo tsy ho hiharan'ny piraty izy ireo?
Manjaka any Kenya sy Afrika amin'ny ankapobeny ny fanjifana votoaty tsy ara-dalàna — indrindra ny fanatanjahan-tena — izay nitarika ny KeCOBO namolavola fomba fiasa amin'ny sehatra isan-karazany hiadiana amin'ny piraty, ny heloka an'habaka, ary ny votoaty tsy ara-dalàna.
Ny “parlemanta Kenyana ao Nairobi” avyamin'nyi *SHERWOOD*, nahazo alalana teo ambanin'ny CC BY-SA 2.0 “Kenyan parliament in Nairobi” by *SHERWOOD* is licensed under CC BY-SA 2.0
Tamin'ny 16 Febroary 2022, notakiana ny Parlemanta Kenyana mba hanafoana ny volavolan-dalàna fanitsiana niaraka tamin'ny mpanohana ny Fanitsiana, Gladys Wangahe , ramatoa mpanao lalàna mikasa ny hanafoana tanteraka ireo tolo-kevitra.
Nisy ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter momba ny fanovana nokasaina araka ny aseho etsy ambany;
The proposed Repeal of Sections 35B, 35C & 35D, by the Copyright (Amendment) Bill 2021 contravenes Provisions of the Constitution of Kenya #HandsOffSection35B Copyright act
— Beryle kisumu (@beryle_kisumu) February 15, 2022
Ny tolo-kevitra fanafoanana ny fizarana 35B, 35C & 35D, amin'ny alàlan'ny volavolan-dalàna (Fanitsiana) momba ny zon'ny mpamorona 2021 dia mandika ny Lalàm-panorenan'i Kenya #HandsOffSection35B Lalàna momba ny zon'ny mpamorona —
PAP also fears that the proposed bill contravenes provisions on intellectual property rights in Kenya’s Constitution, which it suggests are akin to al other proprietary rights #HandsOffSection35B Copyright act pic.twitter.com/88PSMgf9jw
— Julian Mbappe🌹 (@naitwaNorah) February 15, 2022
Matahotra ihany koa ny PAP fa mandika ny fepetra momba ny zo fananana ara-tsaina ao amin'ny Lalàm-panorenan'i Kenya ilay volavolan-dalàna, izay lazainy fa mitovy amin'ny zo hafa mikasika ny fananana |
https://mg.globalvoices.org/2022/01/26/155734/ | Fatiantoka ho an'i Wisconsin ny fahazoan'i Lagos fiaran-dalamby | 2022-01-26T05:38:21 | Unknown | Ny governemantan'i Fanjakana Lagos Babajide Sanwo-Olu sy ny ekipany tao amin'ny orinasan'ny fiaran-dalamby Talgo ao Milwaukee, Wisconsin, Etazonia. Sary avy amin'i Babajide Sanwo-Olu (pejy Facebook) , 19 Janoary 2022
Tamin'ny 18 janoary, nividy fiaran-dalamby roa tao amin'ny Talgo, orinasa mpamokatra fiaran-dalamby any Milwaukee, Wisconsin, Etazonia, ny governemantam-panjakan'i Lagos any Nizeria, Babajide Sanwo-Olu, ho ampiasaina amin'ny tetikasa Lagos Metro Rail izay hanomboka amin'ny taona 2022. Hanampy hanalefaka ny fitohanana ao amin'ny iray amin'ireo tanàna be olona indrindra ao Afrika ireo fiaran-dalamby ireo no sady hamaha ny disadisa mangidy eo amin'ireo mpanao politika ao an-toerana ao amin'ny firenena iray Amerika Avaratra.
Niteraka ady ara-pitsarana naharitra teo amin'ny Talgo sy ny Fanjakan'i Wisconsin ny politikam-piandaniana ifanenjehan'ny Demaokraty sy ny Repoblikana eo an-toerana. Noho izany, tsy nampiasaina nandritra ny folo taona ireo lamasinina “ naorina tany am-boalohany ho an’ny lalamby haingam-pandeha mampitohy an’i Chicago, Milwaukee, Madison sy ireo Tanàna Kambana”.
Nitatitra i Christine Hatfield, mpanao gazety ao amin'ny Wisconsin Public Radio (WPR) fa tamin'ny taona 2009, nanambara fifanarahana tamin'ny Talgo momba ny fiaran-dalamby roa vaovao haorina ao amin'ny fanjakana ary ampiasaina amin'ny lalamby ho an'ny fiaran-dalamby haingam-pandeha avo lenta mampitohy an'i Milwaukee sy Madison i Jim Doyle, Demaokraty, governoran'i Wisconsin tamin'izany fotoana izany.” Nitranga indrindra izany taorian'ny volavolan-dalàna federalin'i Etazonia ho fandrisihana, izay nanome 810 tapitrisa dolara Amerikana ho an'ny Fanjakan'i Wisconsin hanatanterahana izany fifanarahana izany. Na izany aza, nofoanan'i Scott Walker Repoblikana nandimby an'i Doyle ho governora ny tetikasa.
Tamin'ny taona 2012, nanamboatra fiaran-dalamby ho an'ny Fanjakan'i Wisconsin ihany ny Talgo mba hiady varotra indray amin'ny fifanarahana. “Fahaverezan'ny asa tao amin'ny orinasa vaovaon'ny Talgo any Milwaukee sy fitoriana eny amin'ny fitsarana tsy azo ihodivirana no vokatr'izany. Niafara tamin'ny fandoavan'ny fanjakana vola 50 tapitrisa dolara ho an'ny Talgo izany ary nitazona ireo lamasinina ny orinasa. May ny 50 tapitrisa dolara volan'ny mpandoa hetra no dikan'izany. Nandoa vola 50 tapitrisa dolara izahay ary tsy nahazo na inona na inona tamin'izany,” araka ny nosoratan’ i Dave Cieslewicz, mpanao gazety ao amin'ny Isthmus, gazetim-piarahamonina ao Madison, WI.
Ny fametrahana ara-pitsarana nifanaovan'i Wisconsin sy ny Talgo no nahatonga ny handoa “vola mitentina 50 tapitrisa dolara ho an'ny fiaran-dalamby” nefa mbola ny orinasa ihany no tompon'ny fiaran-dalamby, hoy i Hatfield ao amin'ny WPR.
Ny tetikasa lalamby Lagos
Lalambin'i Lagos tazanina avy eny an-habakabaka, mbola eo am-panamboarana. Sary avy amin'i Babajide Sanwo-Olu (pejy Facebook) , 3 Janoary 2022
Hapetraka amin'ny tetikasa fitaterana faobe an-tanàn-dehibe amin'ny lalamby Lagos ireo fiaran-dalamby Wisconsin novidin'ny governoran'i Lagos Sanwo-Olu. Tombanana ho mitentina 1,4 lavitrisa dolara Amerikana, mizara ho tambajotra roa misongadina ny tetikasa lalamby Lagos, ny zotra manga Okokomaiko-Marina 27 kilaometatra, ary ny zotra mena Marina-Agbado mirefy 30 kilaometatra. Ny orinasa China Civil Engineering Construction Company (CCECC) no mitantana ny voalohany.
Ny zotra Mena sy Manga, izay samy manana gara miisa 13 kosa no hanala ny fitohanana ao amin'ny iray amin'ireo tanàna be mponina indrindra ao Afrika. Tombanana ho 17,5 tapitrisa ny isan'ny mponina ao Lagos, izay fitambarany ny an'i New York na Londra mitambatra. Ny fitohanan’ny fifamoivoizana goavana ao an-tanàna no antony handanian’ny Lagosians 30 ora isan-kerinandro amin’ny fifamoivoizana, na “75 isanjaton’ny fitambaran'ny ora mandroso sy miverina iasana mandritra ny herinandro”, araka ny tatitra navoaka tao amin’ny gazety BusinessDay any Nizeria.
Tsy voafetra amin'ny fihenan'ny taham-pamokaran'ny Lagosiana ny vokatry ny fitohanan'ny fifamoivoizana. “ Misy fiantraikany goavana eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batan'ireo mpiasa” koa izany. “Hitondra fanamaivanana vaovao ho an'ny fitateram-bahoaka any Lagos tokoa ny tetikasa lalamby”, hoy i Sanwo-Olu, nandritra ny fividianana fiarandalamby tany Wisconsin.
Na izany aza, tsy ny Lagosiana rehetra no faly amin'ny tetikasa.
Nitaraina ireto mpisera Twitter ireto fa efa nahazo fiaran-dalamby ny governoran'ny Fanjakan'i Lagos teo aloha ho an'ny tetikasa fiarandalamby “tsy feno”:
This light rail is the afternoon food of every Lagos State governor. https://t.co/yY9sf8abkm
— Starving writer (@Olumuyiwa__) January 19, 2022
Ity lalamby maivana ity no sakafo tolakandron'ny governoran'ny fanjakana Lagos rehetra.
Azo takarina ny fisalasalana momba ny fahavitan'ny tetikasa lalamby. Tamin'ny 11 May 2011, nijery sy nividy fiaran-dalamby avy amin'ny Toronto Transit Commission (TTC) Kanadiana i Babatunde Fashola, governoran'ny Fanjakan'i Lagos tamin'izany hanaovana tetikasa fitaterana lalamby Lagos izay mbola ho vitaina. Izany no mahatonga ny fisalasalana amin'ny fividianana fiarandalamby Sanwo-Olu any Wisconsin.
Mpisera iray hafa nanakiana ny habetsaky ny vola nolaniana tamin'ny tetikasa naharitra folo taona nefa tsy nisy vokatra azo tsapain-tanana:
After 13yrs and billions spent, they are yet to complete the Lagos light rail project and he wants to turn Nigeria to Dubai.
— Sworn Enemy of Convention (SEC) (@drjay247) January 13, 2022
Rehefa nandany 13 taona sy miliara maro, dia mbola tsy nahavita ny tetikasa lalamby Lagos izy ireo ary te-hamadika an'i Nizeria ho Dubai
Oladeinde Olawoyin, mpanao gazety ao amin'ny gazety anjotra Premium Times nanamafy fa “nangirifiry tamin'ny tsirambina taorian'ny 17 taona tsy nanatanterahana ny fampanantenana ny lalamby haingana ao Lagos.” Nisy fifandraisany tamin'ny “olana ara-tamberin'andraikitra mifandraika amin'ny tsy fifanojoana amin'ny lany tamin'ny famatsiam-bola ny fahatarana tamin'ny famitana ny tetikasa fiaran-dalamby Lagos, araka ny filazan'i Olawoyin.”
Heverina ho fandresena ho an'i Lagos ny fividianana fiaran-dalamby vao haingana, raha toa ka manaraka ny drafitra nataony ny governemanta. |
https://mg.globalvoices.org/2022/02/03/155841/ | Nizeriana an'arivony no nandray anjara fanangonan-tsonia hanavaozana ny IELTS | 2022-02-03T05:12:32 | Unknown | Nizeriana iray nikabary tao amin'ny lanonana famaranana ny Zaikaben'ny Tanoran'ny Commonwealth. Sary avy amin'ny Commonwealth Secretariat nalaina tamin'ny Alakamisy 14 Novambra 2013 ( CC BY-NC-ND 2.0 )
Nahangona sonia teo amin'ny 40 000 teo ho eo tao anatin'ny 14 andro monja ny fanangonan-tsonia an-tserasera nataon’ny Policy Shapers, sehatra mpiaro ny tanora Nizeriana, hitakiana ny fanavaozana ny Rafitra Fitsapam-pahaizana Iraisampirenena momba ny Teny Anglisy na ny International English Language Testing System (IELTS).
Fanadinana natao ho an'ireo tsy mpiteny anglisy ny IELTS. Ireo Nizeriana mikasa ny hianatra, hifindra monina na hiasa any amin’ny Fanjakana Mitambatra, Kanada ary Aostralia no takiana hanao fitsapam-pahaizana na ny mitovy aminy mba hanomezana porofo amin'ny fahaizana miteny anglisy. Hatramin'ny taona 1989 nanombohany, ny British Council, ny International Development Program (IDP) any Aostralia, ary ny Oniversiten’i Cambridge English Language Assessment no miara-nitantana ny IELTS.
Ny tsy hanaovan’ny olom-pirenena Nizeriana ny fitsapam-pahaizana amin’ny fahaizana teny anglisy no tanjon’ireo namorona ny fanangonan-tsonia , izay handoavana sarany eo anelanelan'ny 83.000 Naira (eo amin'ny 200$ USD) ho an'ny akademika ary 89.000 Naira (216$ USD) ho an'ny fitsapam-pahaizana ankapobeny. Lafo kokoa noho ny fitsapam-pahaizana amin’ny fahaizana teny frantsay, ahitana ny fanadinana DELF/DALF izay tsy handoavana sarany afa-tsy 16.000 Naira (eo amin'ny 39$ USD) monja ny IELTS izay lany daty aorian'ny roa taona.
Nanombatombana ny tatitra nataon'ny International Center for Investigative Reporting (ICIR), gazety anjotra Nizeriana, fa teo anelanelan'ny taona 2016 ka hatramin'ny taona 2021 dia vola mitentina 771,2 tapitrisa dolara (N319,2 lavitrisa) no niditra tamin’ny Governemanta Britanika tamin’ny tombom-barotra azo tao ambadik’ireo mpianatra Nizeriana sy ny mpangataka visa izay nanao ny fitsapam-pahaizana.
Laharana fahatelo aty Afrika amin'ny vondrona mahay miteny anglisy ary faha-29 maneran-tany araka ny Tondro Fahaizana Miteny Anglisy 2021 EF i Nizeria. Nilaza ny Policy Shapers fa ambony kokoa noho ny an’ireo firenena miisa 18 tsy ampanaovan'ny Minisiteran’ny Atitany Britanika fanadinana ny fahaizan'i Nizeria amin'ny fampiasana ny teny anglisy.
Amin'ny maha zanatanin’i Fanjakana Britanika teo aloha azy, ny teny anglisy no teny ifandraisana ao Nizeria ary fiteny enti-mampianatra any an-tsekoly. Na izany aza, tsy firenena esorina amin'ny fanalana io fanadinana io i Nizeria sy ireo firenena afrikana hafa, izay zanatany anglisy teo aloha ary ao anatin’ny Commonwealth.
Mila fanavaozana ny IELTS!
Maro amin'ireo mpiseran’ny media sosialy no mihevitra fa ahazoana tombom-barotra be ny IELTS:
No single Anglophone African country is exempted from writing the IELTS because they know we are their cash cow.
I can argue that majority of the profit from IELTS might come from Nigeria.
It’s time to put an end to this exploitation. #ReformIELTSPolicy pic.twitter.com/FCvFs2M0kp
— Uncle Charles (@AkwariCharles) January 26, 2022
Tsy misy firenena afrikana miteny anglisy afa-bela amin’ny fanadinana IELTS satria fantatr'izy ireo fa fidiram-bola ho azy ireo isika.
Sahiko ny milaza fa mety ho avy aty Nizeria ny ankamaroan'ny tombony amin'ny IELTS.
Fotoana izao hamaranana izao fanararaotana izao. #ReformIELTSpolicy pic.twitter.com/FCvFs2M0kp
I join Nigerians asking for a change in IELTS policy
Why should my English proficiency expire after 2yrs?
I heard the French proficiency test does not expire & it's way cheaper than IELTS
Help spread this till they respond. It's a win for all @UKinNigeria
#ReformIELTSPolicy
— Samuel Ajayi 🇳🇬🗣️🌐 (@SamdGreat01) January 26, 2022
Nanatevin-daharana ny Nizeriana aho mangataka ny fanovana amin'ny politikan'ny IELTS
Nahoana no tokony ho lany daty ny fahaizako miteny anglisy rehefa vita ny 2 taona?
Henoko fa tsy lany daty ny fitsapam-pahaizana miteny frantsay ary mora kokoa noho ny IELTS
Aparitaho io mandra-pahazoana valiny. Fandresena izany ho an'ny rehetra @UKinNigeria
#ReformIELTSPolicy
IELTS is pure extortion.
Nigeria with English as its lingua Franca should not be mandated to write IELTS before working or schooling in the U.K. it makes no sense at all.
I took up a job in the UK and I didn’t have communication issues even without IELTS #ReformIELTSPolicy
— General Okwulu Okalisia (@RapidMax01) January 26, 2022
Fanambakana tsotra izao ny IELTS. Teny ifampiresahana eto Nizeria ny teny anglisy ka tsy tokony ho terena hanao fanadinana IELTS alohan'ny hiasana na hianarana any Angletera, tsy ilaina akory izany. Niasa tany Angletera aho ary tsy nanana olana tamin’ny fifandraisana na dia tsy nisy IELTS aza
Nanaiky ny filoha lefitra ao Nizeria, Profesora Yemi Osinbajo, fa mila fanavaozana ny IELTS. Tamin'ny 31 Oktobra 2021, raha niresaka tamin'i Ebenezar Wikina, izay Mandela Washington Fellow 2021 i Osinbajo dia nilaza izy hoe, “Ekeko tanteraka hoy izy fa tokony hahazo tombontsoa amin'ireo fanomezana alalana sasany isika amin'ny maha-firenena miteny anglisy antsika fa tsy tokony ho terena isaky ny roa taona hanao fitsapam-pahaizana mitovy amin’izany, indrindra raha efa nandalo izany teo aloha.” |
https://mg.globalvoices.org/2022/01/26/155759/ | Paortiogaly : mpikatroka ho an'ny zon'olombelona mitolona manohitra ny fanavakavahana, notolorana loka iraisampirenena | 2022-01-26T14:44:55 | Unknown | Mamadou Ba, avy amin'ny OS Racismo – pikantsary YouTube
Tato anatin'ny taona efatra farany dia nihamafy ny fahatongavan-tsaina sy ny adihevitra momba ny fanavakavahana ao Paortiogaly. Raha marobe ireo trangam-panavakavahana mitranga any anatin'ny faribolana pôlitika sy ny fampahalalambaovao, nahazo ny haja mendrika azy ireo kosa nony farany ny sasantsasany tamin'ireo mpikatroka. Tsy ela akory izay i Mamadou Ba, mpikatroka iray fantadaza, monina any Paortiogaly ary nanokana ny androm-piainany hitolomana hanohitra ny fanavakavahana sy ireo kabarim-pankahalàna, no nahazo ny Loka ho an'ny Mpiaro ny Zon'Olombelona Tandindonin-doza, natolotry ny Front Line Defenders .
Io loka io, ary ireo andiana zavabita sy jeritodika any anatin'ireo fifandraisana ara-poko ao Paortiogaly, dia niteraka adihevitra momba ny fifandraisan'ilay firenena amin'ny fanjanahantany sy ireo olan'ny resaka foko amin'izao fotoana izao.
Nazava tsara ny toedraharaha tamin'ny 2009 rehefa, sambany, nisy vehivavy mainty telo voafidy ho ao amin'ny antenimiera paortiogey .
Ireo vehivavy telo voafidy, samy manana fiaviana gineàna daholo, dia ry Beatriz Dias avy amn'ny antoko Bloco de Esquerda , Romualda Fernandes avy amin'ny Partido Socialista sy Joacine Katar Moreira avy amin'ny antoko Livre . Ny governemanta tao Guinée-Bissau dia namaritra ny fahalanian'izy ireo ho « vanimpotoana manan-tantara » ao anatin'ny demaokrasia paortiogey.
Joacine Katar, ilay hany tokana voafidy avy amin'ny antokony, dia sady nisarika fahalinana no niteraka resabe. Taorian'ny nahalany azy, nisy sasantsasany tamin'ny olona niteny hoe tsy tokony handray ny toerany izy ireo satria tsy paortiogey no sady tokony horoahana hiverina any amin'ny tany niaviany.
Iray tamin'ireo feo tena nanakiana azy ilay solombavambahoaka namany, André Ventura, mpitarika ny iray amin'ireo antoko avy amin'ny elatra farany havanana fatra-pifikitra amin'ny nentindrazana ao Paortiogaly. Ho valin'ireo kiana, ny antoko misy an'i Joacine dia nalahelo hoe, raha tokony ho aingam-panahy hiteraka fankalazàna ireo zavatra vitany, ity fifidianana ity dia nitondra ho any amin'ny fanenjehana ny tenany manokana. Indro ny ampahany tamin'ilay fanambaràna:
Face aos contínuos ataques de carácter e referências de índole racista e sexista por parte de deputados e dirigentes partidários da direita, nomeadamente do CDS-PP e do partido de extrema-direita “Chega”, e que têm como alvo a deputada Joacine Katar Moreira, deputada única representante do partido LIVRE, o LIVRE não pode deixar de repudiar veementemente esses ataques e o uso de uma linguagem depreciativa e difamatória, que perpetua estigmas racistas e sexistas na sociedade portuguesa.
Manoloana ireo fanafihana manokana tsy mitsahatra sy mpanavakavaka ataon'ireo solombavambahoaka sy mpitarika ny antoko elatra havanana, indrindra fa ny CDS-PP sy ny antoko farany havanana « Chega », ataon'izy ireo amin'i Joacine Katar Moreira, izay hany mpisolo tena ny antoko LIVRE, ity farany dia tsy manao afa-tsy ny mandà amin'ny heriny rehetra ireny fanafihana sy fampiasàna fomba fiteny iray manafintohina sy manala baràka ireny izay vao mainka manamafy ireo hevitra raikitampisaky ny fanavakavaham-bolonkoditra sy noho ny maha-lahy na vavy ao anatin'ny fiarahamonina paortiogey.
Ny fanenjehana ataon'i Ventura ihany koa dia hita ho toy ny tetikady ikendrena ny hanaovana ho tsy ara-drariny ny fisian'ireo olona hafa volon-koditra any anatin'ny tontolo pôlitika, ary handemena ireo pôlitika mampiroborobo ny fitoviana ara-poko sy fiaviana, araka ny itantaran'ny media iray ao an-toerana azy .
Ny 19 May, Katar dia namoaka hafatra iray tao amin'ny pejiny Facebook, ka tao anatin'izany izy no nanipika ny filàna mitolona manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra :
A 21 de Março comemoramos o Dia Internacional de Luta pela Eliminação da Discriminação Racial. Pedi a 100 pessoas que usassem a sua voz e palavra para se manifestarem. E peço-vos que as escutem. O racismo combate-se com o Lugar de Escuta. A 20 e 21 de Março publicarei aqui 100 cartões. Obrigada e a Luta é de todas e todos!
Ny 21 martsa isika dia mankalaza ny Andro Erantany ho fanafoanana ny fanavakavaham-bolonkoditra. Olona 100 no nangatahako hampiasa ny feon-dry zareo sy ny teniny hanehoana hevitra. Ary angatahako ianareo hihaino azy ireo. Miainga amin'ny toeran'ny fihainoana no manomboka ny ady amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra. Ny 20 sy 21 martsa, hamoaka karatra 100 eto aho. Misaotra; an'ny rehetra ny ady!
Tanaty tranga iray mibaribarin'ny resaka fanavakavaham-bolonkoditra, ireo mpankafy fanatanjahantena dia nanototra ny pejy Facebook-n'ilay mpanao fanatanjahantena ao amin'ny klioban'i Lisbonne, Hugo Gil e Benfica, tamina fanehoankevitra mpanavakavaka namely ilay mpitantara tamin'ny fantsona Televisão Pública de Portugal , RTP, taorian'ny nanakianany an'i Gil e Benfica . Taorian'ilay tranga, nanao antso ho hitan'ny daholobe i Gil e Benfica ho an'ireo mpanaraka azy mba hampitsahatra ny fandefasana fanehoankevitra tahaka izany :
Miala tsiny aho, fa momba ity resaka ity, tena laviko tanteraka. Ary ao anatin'io ady io, dia any amin'ny lafy misy an'i Blessing aho, na olona hafa koa, na dia nokianinareo araka ny fomba fijerinareo manokana aza ry zareo.
Sarotra ny handrindra fanehoankevitra maro tahaka izany, ary tsy hoe fialantsiny [fotsiny] io akory. Menatra aho amin'ity toedraharaha ity ary izay rehetra fanehoankevitra [mitovy amin'io] dia hohelohina sy hofafàna. Tsy ambany tahaka izany isika. Manolotra ny fialantsiniko tena avy ao am-poko aho.
PS : Isaorako ireo olona nanaitra ahy ary velon'ahiahy tamin'ilay toedraharaha. #FanavakavahanaTSIA
Ny Fankatoavana
Tsy efa akory izay, ireny raharaha rehetra ireny dia niafara tamin'ny fankatoavana an'i Mamadou Ba izay mpikambana ao amin'ny hetsika SOS Racisme hatramin'ny 1999 no sady mpikambana mpanorina fikambanana marobe, nasiônaly sy eorôpeàna, mpiaro ny zon'ireo mpifindramonina ary ireo olona avakavahana noho ny volon-koditra.
Mamadou dia iray amin'ireo feo tena manamarika ny hetsika fanoherana ny fanavakavaham-bolonkoditra ao Paortiogaly. Izy koa mazàna no atao lasibatra ho an'ireo hetsiky ny elatra farany havanana sy néonazis .
Ohatra, tamin'ny fiandohan'ny 2020, Mamadou Ba dia naharay tao an-tranony taratasy iray niaty fandrahonana ho faty. Tamin'ny Febroary 2021, nisy fanangonana sonia tety anaty tambajotra natomboka mba hanesorana taminy ny maha-olompirenena paortiogey azy sy handroahana azy hiala an'i Paortiogaly. Ary hatramin'ny Jona, in-droa no efa nosomparana nasiana mariky ny Nazi sy ompa miaty fanavakavahana ny foben-toeran'ny SOS Racisme .
Our second award winner from Europe & Central Asia is Mamadou Ba from SOS Racismo, #Portugal .
Born in Senegal, and an immigrant, Mamadou has dedicated his life to anti-racist activism. (cont.) https://t.co/iGBSb9Ij8N pic.twitter.com/6HE0aWsGpb
— Front Line Defenders (@FrontLineHRD) November 24, 2021
Ny faharoa nahazo ny loka avy ao Eorôpa sy Azia Afovoany dia Mamadou Ba avy amin'ny SOS Racismo, #Portugal .
Teraka tao Sénégal ary mpifindramonina, Mamadou dia nanokana ny androm-piainany ho an'ny hetsika fanoherana ny fanavakavaham-bolonkoditra. (tohiny) https://t.co/iGBSb9Ij8N pic.twitter.com/6HE0aWsGpb
— Front Line Defenders (@FrontLineHRD) 24 novembre 2021
Ho fankasitrahana ny ezaka vitany, ny Front Line Defenders dia nanolotra ho an'ilay mpikatroka Mamadou Ba ny “Loka ho an'ireo mpiaro ny zon'olombelona tandindonin-doza”, tao anatin'ny lisitra nahitàna ireo mpikatroka samihafa avy amin'izao tontolo izao. |
https://mg.globalvoices.org/2022/01/19/155694/ | Enda, kirarom-pihazakazahana voalohany avy ao Kenya manantena ny hahomby amin'ny sehatry ny fanatanjahantena manerantany | 2022-01-19T14:57:07 | Unknown | Tompon'ny sary: Enda ( Nahazoana alalana )
Ho an'ny firenena malaza amin'ireo mpihazakazaka lavitr'ezaka nahombiazana, fotoana izao raha miainga ao Kenya ny marika kiraro fihazakazahana vita ao an-toerana. Orinasa Kenyana mpisava lalana amin'ny fanaovana fitafiana ara-panatanjahantena ny Enda ary manantena ny ho marika kiraro afrikana malaza voalohany tahaka ny Adidas, Nike, ary Puma hahazoany vola. Enda dia midika hoe “Andao!” amin'ny teny Swahili.
Tamin'ny Desambra 2021, nahangona iray tapitrisa dôlara US tao amin'ny fanangonam-bola Series A ho an'ny ainga fananganana fihariana (start-ups) avy amin'ny Talanton , orinasam-pampiasam-bola amerikana, ahafahan'ny Enda manitatra ny marika hanerantany amin'ny alalan'ny ezaka fampitomboana ny vokatra sy ny fitsinjarana azy .
Navalayo Osembo Filoha Tale Jeneraliny amin'izao fotoana sy Weldon Kennedy , mpikatroka ara-tsosialy sady mpankafy kiraro fihazakazahana no nanorina ny Enda tamin'ny taona 2016 . Raha jerena ny lazan'ny fihazakazahana eo amin'ny Kenyana maro, indrindra ireo avy amin'ny Lohasahan'i Rift, dia nahita hantsana teo amin'ny tsenan'ny kiraro ao antoerana i Ossembo ary nitady ny hanentsina azy io
Nivoaka tamin'ny taona 2017 ny Iten , andian-kiraro voalohany, nalaina avy amin'ny anaran-tanàna malaza iray tao amin'ny lohasahan'i Rift any Kenya ka ny f okonolona Kalenjin namoaka ireo mahery mihazakazaka indrindra eran'izao tontolo izao no betsaka monina ao. Io fokonolona io no manana atleta mpanao hazakazaka lavitr'ezaka be indrindra any Kenya. Novolavolaina tamin'ny ezaka fanangonam-bola , izay nanintona mpandray anjara arivo mahery ny kiraro Iten. Nahangona vola mihoatra ny 120.000 dôlara US ry zareo raha 75.000 dôlara US no tanjona voalohany tao amin'ny sehatra fanangonam-bola Kickstarter.
Novolavolaina taorian'ny 18 volana nanaovana fikarohana sy ny fitsapana maharitra ny andiany faharoa, ny Lapatet , tamin'ny taona 2019. Lapatet no anarana Kalenjin midika hoe “mihazakazaka.” Novolavolaina manokana hampidirana ny lafiny iray amin'i Kenya na ireo fokonolona eo an-toerana ny andian-kiraro tsirairay, toy ny endrika fitafiana eo an-toerana ( kitenge sy kikoys ) sy ny loko (mainty, ny fotsy ary ny maitso ny sainam-pirenena kenyana).
Na dia mbola tsy fantatry ny ankamaroan'ny Kenyana aza, dia nitombo ny marika ary mampiasa olona 100 mahery izao amin'ny zotra famokarana ao Kilifi, any Kenya amorontsiraka. Ampiasainy ihany koa ny fahafaha-mamokatra avy amin'ny mpanamboatra kiraro miorina ao an-toerana izay namokatra kiraro fingotra ny tetibolany tamin'ny voalohany.
Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny AfroTech , nilaza ilay teraka Kenyana Navalayo Osembo fa nahazo aingam-panahy hamorona ny marika satria ny kiraro enti-mihazakazaka no fitafiana zava-dehibe indrindra ara-bola sy ara-kolontsaina ho an'ny mpankafy matihanina sy ny manao azy ho fialam-boly. Herintaona teo ho eo no lany hamoronana santionan-kiraro iray, ary ny fampiasana ireo ho porofon'ny tsirinkevitra, nanokatra fanentanana Kickstarter izy ary nanomboka ny famokarana ho an'ny daholobe tamin'ny taona 2016.
Tamin'ny tapaky ny taona 2021, niara-niasa tamin'ny orinasa mpamokatra labiera tao an-toerana ny orinasa mba hamokatra marika fanofanana hazakazaka izay hampitiavan'ny vahoaka azy amin'ny ankapobeny, hanohana ny orinasa eo an-toerana, ary hanome voninahitra ireo atleta Kenya ity orinasa ity. Natao izany ho fankasitrahana ny zavabitan'ny ekipa Olaimpika an'i Kenya nandritra ny Lalao Olaimpika tany Tokyo. Nanamarika koa i Osembo fa fiaraha-miasa amin'ireo marika eo an-toerana mamaky ny sehatra manerantany ary lasa ekena ho ampahany amin'ny kolontsaina Kenyana izany..
Nanatevin-daharana ireo ainga fanombohana ara-teknolojia, fambolena, sy fitaterana ara-bola izy io, ary ny fitaterana izay nahasarika ny kapitalista nanerana an'izao tontolo izao. Tanjon'ny orinasa ny hamokatra mpampiofan-davitra isan'andro sy andian-kiraro ho an'ny [hazakazaka] fohy ezaka amin'ny fampiasana fitaovana nalaina eo an-toerana ihany.
Antontanisa avy amin'ny RunRepeat no nanondro fa nitombo eran-tany nandritra ny folo taona lasa izay ny fihazakazahana, misy fitomboana 57 isanjato ny lazany. Tao anatin'ny roa taona, tao anaty fikatonana sy ny fameperana ny fivezivezena noho ny valan'aretina Covid-19, iray amin'ireo fironana lehibe indrindra hitaizana vatana tamin'ny taona 2021 ny fihazakazahana, satria nandingana ny lalana fanavotana amin'ny rarintsaina ireo sambany mpihazakazaka. Izany no mametraka ny kiraro fihazakazahan'i Enda ho lohalaharana. Noho ny kinendriny hanitatra mihoatra ireo atleta sangany izay nampitombo ny lalam-panazarantena ao Kenya, tadiavin'ny Enda dia hiitatra mankany amin'ny sehatra fihazakazahana ho fialamboly izay nitombo be tao Kenya sy manerantany.
Mino ny ekipa ao amin'ny Enda fa ny fihazakazahana dia mety mihoatra noho ny fomba iray fotsiny hanatsarana ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina. Azo ampiasaina ihany koa izany hifantohana amin'ny olana ara-tsosialy toy ny hitsiny, ny rariny ary ny fitoviana tsy ao Kenya fotsiny fa manerana izao tontolo izao. Tamin'ny alàlan'ny fiantraikany ara-tsosialy tsara ananan'ny marika, manantena ny Enda hamaky ny fitaratra ka ho lasa marika kiraro lohalaharana avy eto Afrika. |
https://mg.globalvoices.org/2021/12/23/155321/ | Nambara ho Andro Manerantany ho an'ny teny Kiswahili ny 7 Jolay; Tetikasa vaovao iray mikasa hahatakatra tsara kokoa ny karazan-tenim-paritra Swahili | 2021-12-23T06:18:32 | Unknown | “Fehezanteny kiswahili ” avy amin’i ultraBobban , lisansa CC BY-NC 2.0
Tamin'ny volana Novambra 2021 nandritra ny fivoriana faha-41 tany Paris, nanambara ireo Firenena Mpikambana ao amin'ny UNESCO fa Andro Maneran-tany ho an'ny Teny Kiswahili ny 7 Jolay — fantatra amin'ny anarana hoe Swahili — fiteny Bantu teratany any Afrika Atsinanana sy Afovoany ampiasain'ny olona 80 tapitrisa eo ho eo na amin'ny maha-fitenin-drazana azy na fiteny faharoa hay tsara.
Na dia midadasika aza izy io, dia maro maneran-tany no tsy mahafantatra ny maha-zava-dehibe sy ny tantaran'ny Swahili. Niresaka tamin'i Hannah Gibson , mpampianatra ambony ao amin'ny Departemantan'ny Fiteny sy ny Haifiteny ao amin'ny Oniversiten'i Essex ny Global Voices, momba ny tetikasa vaovao maharitra efa-taona mitondra ny lohateny hoe ‘ Fiovaovana amin'ny fitsipi-pitenenana amin'ny teny Swahili: fifandraisana, fiovana sy mari-panondroana ‘ izay natombony sy ireo mpiara-miasa aminy mba hahatakarana tsara kokoa ny fiovaovan'ny tenim-paritra ankehitriny amin'ny teny Swahili.
Amin'ity tafatafa ity, maheno avy amin'ny ekipan'ny tetikasa: Hannah Gibson (Oniversiten'i Essex), Fridah Kanana Erastus (Oniversiten'i Kenyatta), Tom Jelpke (Oniversite SOAS Londra), Lutz Marten (Oniversiten'i Londra), Teresa Poeta (Oniversiten'i Essex), ary Julius Taji (Oniversiten'i Dar es Salaam) momba ny tanjona sy ny fiantraikan'ny tetikasa, ary ny anjara asan'ny teny Swahili maneran-tany sy any Afrika Atsinanana isika. Miresaka ny antony maha zava-dehibe ny fanekena ny teny Kiswahili eo amin'ny sehatra manerantany amin'ny fanampiana olona maro kokoa ho liana amin'ny fianarana ny fiteny ihany koa izy ireo.
Global Voices (GV): Inona no ifantohan'ity tetikasa fikarohana efa-taona ity?
Project Team (PT): This project looks at how the Swahili language varies depending on the various places where it is spoken, as well as the different groups of people who speak it. In addition to being the first language of some communities on the coast of East Africa, Swahili is used as a lingua franca by many others and now has over 100 million speakers.
With Swahili being spoken in so many diverse contexts, we expect there to be a lot of variation in how the language is used on day-to-day basis.
In the past, we know scholars have described some of the dialects on the coast. And more recently some of the “newer” varieties — such as Swahili spoken in DRC or Sheng — are being talked about. But there is no in-depth study of variation in present-day Swahili nor of the ways speakers use this variation for different purposes. That’s what this project aims to explore.
Ekipan'ny Tetikasa (ET) : Mijery ny fisian-karazan'ny teny swahili arakaraka ny toerana misy azy, sy ny vondron'olona samihafa miteny azy ity tetikasa ity. Ankoatra ny maha fiteny voalohany an'ny vondrom-piarahamonina sasany any amin'ny morontsirak'i Afrika Atsinanana, ampiasain'ny maro hafa ho teny ifaneraserana ny swahili ary manana mpiteny 100 tapitrisa mahery ankehitriny.
Amin'ny fampiasana ny teny Swahili amin'ny odidina maro samihafa, manantena izahay fa hisy fiovaovana betsaka amin'ny fomba fampiasana ny fiteny isan'andro.
Taloha, fantatray fa nisy manam-pahaizana namariparitra ny fitenim-paritra sasany tany amorontsiraka. Ary vao haingana indrindra, noresahina ny sasany amin'ireo karazany “vaovao kokoa” – toy ny Swahili ampiasaina any RDC na Sheng. Saingy tsy misy fandalinana lalina momba ny fiovaovana amin'ny teny Swahili ankehitriny na ny fomba fampiasan'ireo mpampiasa azy ity fiovaovana ity amin'ny tanjona samihafa. Izany no tanjon'ity tetikasa ity hosavasavaina.
GV: Inona avy ireo fanontaniana sasany antenainao hovaliana momba ny fiovaovan'ny tenim-paritra amin'ny teny Swahili?
PT: Firstly, we want to gain a better understanding of the present-day variation in Swahili. And while traditionally the linguistic focus has been more on pronunciation and lexical variation (the way words differ in various dialects), we will focus on the structural differences — for example the different ways in which sentences are constructed.
The second set of questions we want to answer is how this variation is linked to the linguistic environments in which Swahili is spoke. Many East African contexts are highly multilingual, with people using several languages on daily basis. In our project, we ask how the contact between Swahili and various other languages in Kenya and Tanzania results in the languages influencing each other.
Lastly, we are interested in what these different Swahili varieties mean for speakers and their identities and how speaking a certain dialect may impact — or reflect — various societal issues.
ET : Voalohany, tianay ny hahazo fahatakarana tsara kokoa ny karazany ankehitriny amin'ny teny swahili. Ary raha amin'ny fomba mahazatra, mifantoka kokoa amin'ny fanononana sy ny fiovaovan'ny voambolana (ny fomba fiovaovan'ny teny amin'ny fitenim-paritra samihafa) ny fifantohana amin'ny fiteny, hifantoka amin'ny fahasamihafan'ny rafitra isika — ohatra ny fomba samihafa amin'ny fananganana fehezanteny.
Ny andiam-panontaniana faharoa tianay hovaliana dia ny fomba ifandraisan'io fiovaovana io amin'ny tontolon'ny fiteny izay ampiasaina ny teny swahili. Maro amin'ireo toe-javatra (odidina) Afrikana atsinanana no tena manana fiteny maro be, ary misy ny olona mampiasa fiteny maro isan'andro. Amin'ny tetikasanay, manontany izahay hoe ahoana no fifandraisana misy eo amin'ny teny Swahili sy ny fiteny maro samihafa ao Kenya sy Tanzania eo amin'ny fifampitana tarakevitra.
Farany, mahaliana anay ny dikan'ireo fiovaovana samihafa amin'ny teny Swahili ho an'ireo mpampiasa azy sy ny maha-izy azy ary ny hoe ahoana ny fampiasana ny fitenim-paritra sasany no mety hisy fiantraikany — na mitaratra ny — olana samihafa eo amin'ny fiaraha-monina.
GV: Iza no manao ity fikarohana ity? Ary nahoana no zava-dehibe aminao ity tetikasa ity?
PT: The project is a collaboration between four different universities across three countries — Kenya, Tanzania, and the UK. Our team is made up of colleagues from Kenyatta University, SOAS University of London, University of Dar Es Salaam and University of Essex — each bringing their own set of skills and experience to the project.
We are very excited to embark on this study and to be able to focus on the role played by Swahili. Linguistic studies on dialects and variation in major languages tend to focus on European contexts or take the Global North as the starting point (for example through the study of English), so we are excited to be putting Swahili at the centre the study.
ET: Fiaraha-miasa eo amin'ny oniversite efatra samihafa manerana ny firenena telo – Kenya, Tanzania ary UK ny tetikasa. Ahitana mpiara-miasa avy ao amin'ny Oniversite Kenyatta, Oniversite SOAS ao Londra, Oniversiten'i Dar Es Salaam ary Oniversiten'i Essex ny ekipanay- samy mitondra ny fahaizany sy traikefany amin'ny tetikasa.
Nientanentana fatratra izahay hanomboka ity fikarohana ity sy afaka hifantoka amin’ny anjara asan’ny Swahili. Mirona hifantoka amin'ny toe-javatra Eoropeanina na maka ny Ilabolantany avaratra ho teboka fiaingana (ohatra amin'ny alalan'ny fianarana teny anglisy) ny fikarohana fiteny momba ny fitenim-paritra sy ny fiovaovana amin'ny fiteny lehibe, noho izany dia faly izahay mametraka ny Swahili ho ivon'ny fikarohana.
GV: Ahoana no maha-zava-dehibe an'ity tetikasa ity amin'ny toejavatra ankehitriny sy ny fivoaran'ny teny Swahili?
PT: The number of Swahili speakers is growing. So is the number of places where Swahili is used and taught. A better understanding of Swahili varieties has many uses and implications. For example, it can influence how the language is taught. It can help us to better understand how speakers use Swahili and what information they can access in it. It can also give us insights into what Swahili means for the speakers’ sense of identity and community and how this continues to change.
From an academic perspective, this study contributes to, expands and builds on the rich scholarly tradition of work on the Swahili language.
ET : Mitombo ny isan'ny mpiteny Swahili. Toy izany koa ny isan’ny toerana ampiasaina sy ampianarana ny teny Swahili. Manana fampiasana sy fiantraikany marobe ny fahatakarana tsara kokoa ny karazana Swahili . Ohatra, mety misy fiantraikany amin'ny fomba fampianarana ny fiteny izany. Afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny fomba fampiasan’ireo mpiteny ny Swahili sy izay fampahalalana azon'izy ireo idirana amin'izany. Afaka manome antsika fahalalàna lalina kokoa ny dikan'ny Swahili eo amin'ny lafiny maripanondroana sy fiaraha-monina ihany koa izany ary ny fomba fitohizan'izany fiovana izany.
Avy amin'ny fomba fijery akademika, manampy, manitatra ary manorina ny fomba fiasa mahazatra amin'ny teny Swahili ity fikarohana ity.
GV: Rahoviana no ho vita ny tetikasa ary ahoana no ahafahan'ny olona mahita izao hita tamin'izany?
PT: The project is funded by the Leverhulme Trust and lasts for four years. Having just started in September 2021 it will be completed in August 2024. As well as the project website — to be launched soon — which will have regular updates, the broader findings will also be made available online.
It is important to us that any resources we gather are freely available to anyone interested in them and for people wanting to further work on the Swahili language.
PT: Ny Leverhulme Trust no mamatsy vola ny tetikasa ary maharitra efa-taona. Vao nanomboka tamin'ny volana Septambra 2021 ary hifarana amin'ny volana Aogositra 2024. Hatomboka tsy ho ela ihany koa ny tranokalan'ny tetikasa — izay hisy fanavaozana tsy tapaka, ho hita amin'ny aterineto ihany koa ny fikarohana midadasika kokoa.
Zava-dehibe aminay ny hoe azon’ny olona rehetra liana amin'izany sy ho an’ny olona te hiasa bebe kokoa amin’ny teny swahili hidirana maimaim-poana ny loharano nangoninay.
GV: Nanambara ny UNESCO tamin'ny volana lasa fa Andro Maneran-tany ho an'ny teny Kiswahili ny 7 Jolay. Ahoana ny fihetsehem-ponao manokana sy amin'ny maha mpikaroka ny fiteny manoloana izany fanambarana sy fankatoavana izany
PT: We were excited to hear the news and we will celebrate Swahili with a project event on that day for sure!
ET: Nientanentana izahay nandre ny vaovao ary hankalaza tokoa ny teny Swahili amin'ny lanonan'ny tetikasa amin'io andro io!
GV: Nahoana no zava-dehibe io fankatoavana io?
PT: It’s great to see an African language celebrated at a more international and global level — it is long overdue. Swahili as a language, its significance and history as well as its status today is unknown to many people around the world and this recognition can help us all to learn more about it – perhaps even get people excited to try and learn it too!
Our hope is also for Swahili to be celebrated in its complexity — with its many varieties and dialects, with the diverse groups of Swahili speakers for whom this language can mean different things and together with the varied and multilingual environments where it is spoken.
ET : Mahafinaritra ny mahita teny afrikanina ankalazaina eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena sy manerantany kokoa — efa ela be izany. Tsy fantatry ny olona maro manerana izao tontolo izao ny Swahili amin'ny maha-teny azy, ny maha-zava-dehibe azy sy ny tantarany ary ny satany ankehitriny ka ity fankatoavana ity no afaka manampy antsika rehetra hianatra bebe kokoa momba azy – mety hahatonga ny olona hientanentana hanandrana sy hianatra izany koa aza!
Ny antenainay koa dia ny hankalazana ny teny Swahili ao anatin'ny fahasarotany — amin'ireo karazany sy fitenim-paritra maro, miaraka amin'ireo vondrona mpiteny Swahili samihafa izay ahafahan'ity fiteny ity midika zavatra samihafa ary miaraka amin'ny tontolo isan-karazany sy amin'ny fiteny maro itenenana azy.
GV: Inona no mety ho voka-dratsy amin'ny fotoana fohy sy maharitra amin'ny fahatongavan'ny Swahili ho fiteny Afrikana voalohany nahazo izany voninahitra izany?
PT: Hopefully, this can also be the start of an international celebration of many more African languages. Swahili is a major language and it is great to see it acknowledged and celebrated. It is also important it doesn’t end up being the sole representative of an entire continent but rather an example of the incredible linguistic diversity which surrounds it.
ET: Antenaina fa mety ho fanombohan'ny fankalazana iraisam-pirenena amin'ny fiteny Afrikana maro hafa koa izany. Fiteny lehibe ny Swahili ary mahafinaritra ny mahita azy nekena sy ankalazaina. Zava-dehibe ihany koa fa tsy hiafara ho solontena tokana amin'ny kaontinanta iray manontolo izy fa kosa ohatra amin'ny fahasamihafan'ny fiteny tsy mampino izay manodidina azy.
GV: Ahoana no ahafahan'ny olona mahafantatra bebe kokoa momba ilay tetikasa?
PT: Watch this space! We will hopefully be doing regular updates for Global Voices online. So we will be back to let you know how we are getting on.
ET : Jereo ity tahala ity! Manantena izahay fa hanavao tsy tapaka ny Global Voices anjotra. Noho izany dia hiverina izahay hampahafantatra anao ny fandehanay. |
https://mg.globalvoices.org/2021/12/20/154457/ | Mozambika: hetsika media feno famoronana, ahafahan'ireo vondrona marefo mahazo vaovao | 2021-12-20T07:43:18 | Unknown | TV Surdo – fandefasana tao amin'ny YouTube (Sary: screenshot)
Ny TV Surdo, hetsika iray noforonina tamin'ny 2008, dia mikendry ny hamokatra votoaty ho an'ireo olona manana fahasembanana ara-pahitàna sy fandrenesana. Ilay fahitalavitra ihany no mamokatra izay votoaty ao aminy, mandefa amina foibe fahitalavitra telo miorina ao Maputo, renivohitr'i Môzambika.
Azo raisina ao amin'ny fantsona YouTube ihany koa ireo fandaharana novokarina. Ho an'ny Ivontoerana Iraisampirenena ho an'ny Mpanao Gazety , nipoitra ny TV Surdo mba hananana vaovao mampiaty satria ny ankamaroan'ireo fantsona fahitalavitra nahazatra dia matetika no manilika ireo olona manana fahasembanana, tsy iniana atao anefa.
Tanaty lahatsoratra iray tao amin'ny pejiny Facebook, nomarihan'ny TV Surdo fa na misy aza ireo lalàna manamora ny fahazoana vaovao, mbola mitohy voahilikilika hatrany ireo olona manana fahasembanana:
Taona fito aty aorian'ny nahalàny ilay lalàna 34/2014 (Desambra), izay mandrindra ny zo hahazo vaovao, mbola misy hatrany ny sedra manoloana ny fahafahana mahazo vaovao ho an'ireo olona manana fahasembanana. Mandritra izany fotoana izany ny TV Surdo dia manohy mamelona ny fanantenana hanome vaovao ho an'ireo olona manana fahasembanana. #TVDeaf (TVMarenina) #Inclusive Media (Media Mampiaty)
Ny TV sy ny onjampeo no mbola fitaovana fampahalalam-baovao tena miely patrana.
Misy 727.000 ireo olona ao Môzambika no manana kazarana fahasembanana isankarazany, araka ny rakitra 2017 avy amin'ny fanisàn'ny ivontoerana nasiônaly misahana ny antontanisa (INE). Ahitàna olona maherin'ny 68.000 manana olana ara-pihainona ao amin'ilay firenena. Misy ihany koa olona maherin'ny 58.000 manana olana ara-pahitàna.
Ny fahitavaitra sy ny onjampeo no mbola fitaovana fampitambaovao miparitaka be indrindra.
Ao Môzambika, ny ankamaroan'ny vahoaka no tsy manana fahafahana miditra amin'ny media nomerika. 21 isanjato monja amin'ireo vahoaka mihoatra ny 30 tapitrisa ao aminy no manana fahafahana miditra amin'ny aterineto. Eo amin'ny fampiharana, ny fahitalavitra sy ny onjampeo no lasa lavitra indrindra ao amin'ny firenena.
Ho an-dry zareo Môzambikàna, ny onjampeo no tena fantsona fampahalalambaovao malaza be indrindra. Araka ny voalazan'ny Ivontoeram-Pifandraisana Sôsialy (ICS), manodidina ny 75 isanjaton'ny vahoaka ao amin'ny firenena no mandray vaovao amin'ny alàlan'ny onjampeo.
Ny tsy fahampian'ny fampiatian'ny media ao Môzambika dia nasongadin'ny fandalinana iray nataon'ny Institute for Multiparty Democracy . Marihan'ilay fandalinana ny tsy fahampian'ny fandaharam-pampianarana sy ny vintana ahafahana manao izany anaty onjampeo sy aterineto, ary fahitalavitra. Na ohatra aza ny valanaterina COVID-19 ka nanery ny sehatry ny fampianarana hitrandraka ireny fomba hafa ireny ho fitaovana vaovao entina mianatra, mbola tsy ampy ireo votoaty miresaka fanabeazana.
Fanamby iray hafa manodidina ny fahafahana mahazo fahitalavitra ny fanovàna ny rafitra analôgy ankehitriny ao Môzambika ho lasa nomerika .
Na efa nahemotra aza izy io, in-droa raha kely indrindra , dia efa heverina ny fikisahan'i Môzambika hiala amin'ny rafitra fahitalavitra analôgy hankany amin'ny rafitra nomerika, izay hahafahana mahazo fampitàna kalitaon-tsary sy feo tsaratsara kokoa — hatramin'ny fipoiran'ireo fantsona fampitambaovaovao sy vokatra vaovao eo amin'ny tsena môzambikàna. Ny orinasam-panjakana TMT (Transport, Multiplication, and Transmission), no manatontosa izany .
Araka ny voalazan'ny Ministry ny Fitaterana sy ny Fifandraisandavitra, Janfar Abdulai, efa an-dàlana ny fizorana hilàna amin'ny fahitalavitra analôgy ho amin'ny nomerika, satria efa tamin'ny 30 Septambra no vita ny dingana voalohany tamin'ny fanapihana (fanatsaharana) ireo onjampeo. Na izany aza, io toedraharaha io dia nampanahy ireo mpampiasa izay matahotra sao mety hisy anilikilihana ao anatin'izy io:
Desligamento do Sinal Analógico e seus efeitos pic.twitter.com/f8RsvkvuAt
— Omardine Zacarias Omar Rajua (@OmarRajua) September 28, 2021
Fanapihana ny onjampeo analôgy sy ny fiantraikany
pic.twitter.com/f8RsvkvuAt
— Omardine Zacarias Omar Rajua (@OmarRajua) September 28, 2021
Sociedade Migração do sinal analógico para digital: há “confusão” nas lojas que vendem descodificadores em Maputo #senami #falsificacaodedocumentos #nampula #opaisonline #opais #gruposoico https://t.co/CIqriKKsgP pic.twitter.com/TXSs3GO90z
— O País Online (@opaisonline) September 23, 2021
Fianarahamonina Fikisahana hiala amin'ny analôgy ho any amin'ny onjampeo nomerika: misy “fifanjevoana” any amin'ireo toeram-pivarotana mivarotra decoders ao Maputo#senami #falsacaodedocumentos #nampula #opaisonline #opais #gruposoicohttps://t.co/CIqriKKsgP pic.twitter.com/TXSs3GO90z
— O País Online (@opaisonline) September 23, 2021
Anatin'io toedraharaha io , ny TV Surdo dia miavaka amin'ny fahafahany manatratra olona marobe, tsy voafetra sy natokana fotsiny ho an'ireo olona marenina manoloana ny media nomerika, fa koa ho an'ny olona manana endrika fahasembanana isankarazany. |
https://mg.globalvoices.org/2021/12/20/155258/ | Nampiantrano e-fihaonambe momba ny asa fikarakarana tsy andraisa-karama i Oganda | 2021-12-20T05:10:36 | Unknown | Ireo mpanentana David Lambert Tumwesigye, ny namany Atim Sheilla Gloria ary ny mpandrindra Elizabeth Atori nandritra ny fotoam-pivoriana faharoa tamin'ny e-conference. (Sary avy amin'ny Femme Forte. Nahazoana alalana).
Nisy ny e-conference (fihaonambe antserasera) momba ny asa fikarakarana tsy misy karama natao tany Kampala, Ogandà, tamin'ny 25 Novambra. Nokarakarain'ny Femme Forte, GROOTS Kenya, ary ny Fikambanana Fampandrosoana ny Vehivavy Masai, miaraka amin'ny famatsiam-bola avy amin'ny Tahirim-bola Maika (Urgent Action Fund) ny fihaonambem-paritry ny vehivavy: mpanao gazety, mpampianatra ambaratonga ambony, mpitarika ny zon'ny vehivavy ary ireo tsy voatampim-peo amin'ny asa fikarakarana tsy misy karama avy amin'ny faritra Afrika Atsinanana. Nomen'ny lanonana sehatra ireo vehivavy tratran'ny COVID-19 ny hetsika mba hizara ny zava-niainan'izy ireo amin'ny tsy rariny misy vokatry ny asa fikarakarana tsy misy karama ary mandrisika ny resadresaka ampahibemaso momba ny lohahevitra.
Mamaritra ny asa fikarakarana toy izao ny Fikambanana Iraisampirenena Momba ny Asa (ILO-ang):
Direct, personal and relational care activities, such as feeding a baby or nursing an ill partner; and indirect care activities, such as cooking and cleaning. Unpaid care work is care work provided without a monetary reward by unpaid carers.
Asa fikarakarana mivantana, manokana ary ifandraisana, toy ny famahanana zaza na fitsaboana mpiaradia amin'ny fiainana marary; sy ny asa fikarakarana ankolaka, toy ny fahandroan-tsakafo sy fanadiovana. Ny asa fikarakarana tsy misy karama dia asa fikarakarana omena tsy misy tambiny ara-bola ataon'ny mpikarakara tsy andoavan-karama .
Ny tovovavy sy ny vehivavy no mandrafitra ny roatokon'ny mpiasan'ny fikarakarana tsy mandray karama maneran-tany, izay mampamaka lalina ny tsy fitoviana eo amin'ny fanabeazana sy ny tsenan'asa. Manakana azy ireo amin'ny fidirana feno amin'ny fanabeazana, ny asa ary ny fitsaboana ity enta-mavesatra ity ary mitazona azy ireo hihemotra ara-toekarena amin'ny farany raha oharina amin'ny lehilahy. Ampifandraisin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT-ILO) ny asa fikarakarana tsy misy karama amin'ny fitomboan'ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy eo amin'ny sehatry ny asa.
Niresaka mikasika “Ny krizy momba ny fikarakarana sy ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ny Rariny ara-toekarena sy ny Asa fikarakarana tsy mandray vola” ny fivoriana voalohany tamin'ny fihaonambe. Iray amin'ireo mpandray fitenenana i Rtoa Allana Kembabazi, Mpitantana ny Fandaharanasa ao amin'ny Initiative for Social and Economics, ary namaritra ny asa fikarakarana tsy misy karama ho “asa atao ao anatin'ny tokantrano izay tsy misy karama nefa rehefa jerena dia sokajiana ho tokony andraisan-karama.”
Tsy andraisan-karama, tsy fantatra ary sarotra isaina eo amin'ny resaka sanda ara-toekarena amin'ny ankapobeny ny asa fikarakarana ao an-trano. Saika amin'ny fiarahamonina rehetra, mitàna anjara toerana lehibe amin'ny famenoana ny banga eo amin'ny tolotra ara-tsosialy sy mizàka ny toekarena matanjaka ny asa fikarakarana tsy misy karama.
Ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ny asa fikarakarana tsy misy karama
Nanamafy ny tsy hitsiny ho an'ny vehivavy amin'ny asa fikarakarana tsy misy karama ny fahaverezan'ny asa sy ny fanakatonana sekoly taorian'ny valan'aretina COVID-19 . Esupat Ngulupa Laizer ao amin'ny Fikambanana Fampandrosoana ny Vehivavy Masai — mpandray fitenenana tamin'ny e-conference — nilaza hoe:
Unpaid Care Work has denied women economic participation and resources, increasing their vulnerability during the COVID-19 pandemic. Before COVID-19, women were doing three times more unpaid care work than men. With the pandemic, things have become worse. Women are burdened with unpaid care work and have to drop out of the labour force. Opportunities for women to participate in leadership roles is also limited because of all this work.
Nanilika ny fandraisan'ny vehivavy anjara ara-toekarena sy loharanon-karena ny asa fikarakarana tsy andraisan-karama, mampitombo ny faharefoan'izy ireo mandritra ny areti-mifindra COVID-19. Talohan'ny COVID-19, nanao asa fikarakarana tsy andraisan-karama avo telo heny noho ny lehilahy ny vehivavy. Manoloana ny areti-mifindra, niharatsy ny toe-javatra. Vesaran'ny asa fikarakarana tsy misy karama ny vehivavy ka tafavoaka amin'ny sokajin'ny mpiasa. Voafetra ihany koa ny fahafahan’ny vehivavy handray anjara amin’ny andraikitra fitarihana noho ireo asa rehetra ireo.
Milaza ny tatitra taona 2018 nataon'ny Oxfam momba ny asa fikarakarana any Ogandà fa eo amin'ny 32,1 isanjaton'ny vehivavy mpikarakara tokantrano ao Ogandà no nitatitra fa mangirifiry amin'ny aretina, ratra, fahaketrahana, fahavoazana ara-batana sy/na ara-tsaina noho ny anjara asany amin'ny fikarakarana.
Firosoana mankany amin'ny fanavaozana
Nanao fangatahana hanekena ny asa fikarakarana an-tokatrano sy ny tombontsoa mety ho azo avy amin'ny karama avy amin'izany ireo mpandray fitenenana, ary nanamarika fa mitaky fanavaozana lalàna sy fanovana toe-tsaina ireo. Manombatombana ny UN Women fa manampy eo ho eo amin'ny 10-39 isan-jaton'ny harinkarena faobe ao amin'ny firenena ny asa fikarakarana tsy misy karama .
Nandritra ny fihaonambe, David Lambert Tumwesigye, mpandray fitenenana, Mpitantana ny Fiarovana Maneran-tany amin'ny Fahantran'ny Ankizy ao amin'ny Vonjeo ny Ankizy (Save the Children) nanasongadina ny fomba fijery ara-tsaina izay tsy maintsy hiadiana mba hametraka ny asa fikarakarana andraisan-karama ho asa ara-dalàna.
Regulation and legislation is often demand-driven. Given our cultural context, many people haven’t mentally prepared for a time when men pay for the care provided by women.
Matetika fehezin'ny tinady ny fitsipika sy ny lalàna. Raha jerena ny tontolon'ny kolontsaina misy antsika, maro ny olona no tsy niomana ara-tsaina amin'ny fotoana handoavan'ny lehilahy karama ho an'ny fikarakarana omen'ny vehivavy.
Nanaiky ny namany Atim Sheila Gloria, mifantoka amin'ny lalana ara-pitsarana sy ara-dalàna mankany amin'ny tsenan'ny asa ara-drariny kokoa.
Most times a policy may not be enough. What we need are the laws. When the laws are in place, it becomes easier. Parliament is there to represent people hence they’d know all these problems. The executive and Parliament should recognise and translate unpaid care work into the law through forming policies that can be used as a basis of evaluating the country's capacity to quantify and include carework in the labour market.
Matetika mety tsy ho ampy ny politika. Ny lalàna no ilaintsika. Rehefa mipetraka ny lalàna dia lasa mora kokoa izany. Eo ny parlemanta hisolo tena ny vahoaka ka ho fantatr'izy ireo ny olana rehetra. Tokony hanaiky sy handika ny asa fikarakarana tsy misy karama ho lalàna ny mpanatanteraka sy ny Parlemanta amin'ny alàlan'ny fananganana politika izay azo ampiasaina ho fototry ny fanombanana ny fahafahan'ny firenena manisa sy mampiditra ny asa fikarakarana eo amin'ny tsenan'ny asa.
Lesona avy any Kenya
Raha niresaka nandritra ny dinidinika, nizara i Jael Esther Amati, Mpitarika Lefitra ao amin'ny GROOTS Kenya, fa vao haingana i Kenya no namoaka didy avy amin'ny fitsarana fa tokony onerana ny mpiasa mikarakara trano.
Fandresena lehibe ho an'ny fanavaozana ny asa fikarakarana tsy misy karama ny didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana Avo Kenyana vao haingana momba ny raharaha MW v AN (Raharaham-panambadiana Laharana 20 – 2016). Nilaza ny fitsarana fa ny raharaha an-tokantrano sy ny asa fikarakarana ataon'ny vehivavy vady (tamin'ity tranga ity, ny Mpitory) dia manome azy zo fizarana mitovy amin'ny fananan'ny mpivady rehefa tapaka ny fanambadiana (misaraka ny mpivady).
Hitan'i Justice Matheka tamin'ity tranga farany ity fa:
How do we put a monetary value to that process where a woman bears the pregnancy, gives birth, and takes care of the babies and where after divorce or separation she takes care of the children single-handedly without any help from the father of the children.
Ahoana no ametrahantsika ny sanda ara-bola amin'izany dingana izany izay mitondra vohoka, miteraka ary mikarakara ny zaza ny vehivavy ary aorian'ny fisaraham-panambadiana na fisarahana dia mikarakara irery ny zaza tsy misy fanampiana avy amin'ny rain'ny zaza izy.
Ny faneken'ny fitsarana ny fandraisan'anjara asa fikarakarana tsy misy karama ataon'ny vehivavy ho an'ny fananganana ny fananana ara-panambadiana dia zava-dehibe amin'ny fanombohana resaka momba ny karama amin'ny asa fikarakarana. Afaka mamporisika ny fitsarana any amin'ny faritra Afrika Atsinanana sy any amin'ny faritra hafa ihany koa ny didim-pitsarana mba handraisana fepetra liam-pivoarana amin'ny resaka asa fikarakarana. |
https://mg.globalvoices.org/2021/12/07/154977/ | ‘Fifanarahana vaovao’ ho an'i Afrika: Fotoana tsara indrindra ho an'ny taranaka ve izany? | 2021-12-07T05:21:34 | Unknown | Vehivavy Afrikana mamiratra efatra (ankavia miankavanana: Gladys Asare, Rita Mensah, Shelia Asamoah ary Augustina Mensah) mampiseho ny fitafiany lamaody amidy ao amin'ny Tsenam-paribolana Kwame Nkrumah, Accra, Ghana ny 13 Aogositra 2015. Sary nahazoana alalana avy amin'i Jonathan Torgovnik/Getty Images /Sarin'ny Fanomezam-pahefana, voaaro amin'ny zon'ny mpamorona, (CC BY-NC 4.0) .
Mivory isan-taona manatrika fihaonambe manerantany ireo filoham-panjakana sy filohan'ny governemanta, fivoriana ampahany manan-danja amin'ny fisosan'ny diplaomasia iraisampirenena. Nampanantena ny fihaonana an-tampon'i Paris natrehin'ireo mpitondra Afrikana tamin'ny volana Mey 2021 fa ho iray amin'ireo tsy fahita firy— fihaonambe hanovàna an'i Afrika, tsy manova ny fomba fiteny amin'ny kabary momba an'i Afrika.
Saingy raha ny marina, mora ny misalasala momba ny zava-bitan'ny fihaonambe manerantany – matetika izy ireo maneho ny tenan'izy ireo amin'ny fahafahana maka sary lafo vidy, lahateny vita mialoha izay manohana ny fanambaràna ara-panjakam-birao manjavozavo izay mampandroso ireo zavatra ho amin'ny fihaonambe manaraka. Na izany na tsy izany, mbola manan-danja ihany ny fihaonanmbe, na dia tsy fahita firy aza ny fihaonana an-tampony misy vokatra tena izy sy maharitra.
Nampiantrano ireo mpitarika Afrikana sy ireo lehiben'ny andrim-panjakana ara-bola maneran-tany ny filohan'i Frantsa Emmanuel Macron tamin'ny fihaonambe izay nikatsaka ny hanohana ny toekarena Afrikanina tratran'ny areti-mifindra COVID-19 mafy. Napetraka teo an-tampon’ny fandaharam-potoana ny lohahevitra fanafoanana ny trosa sy ny fanohanana ara-bola amin’ny alalan’ny fanomezana zo manokana omen’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ho an’ireo firenena Afrikanina.
Ny fotoana ihany no hitsara momba ny fihaonana an-tampony: tsara, raha nofoanana na nesorina ny trosa ary tratra ny tsingerina vaovao amin'ny fitomboana maharitra amin'ny toe-karena. Ary na dia olana lehibe aza ny trosa, ny tena olana lehibe kokoa dia ny fandoavan'ny firenena Afrikana zanabola be loatra amin'ireo trosa ireo. Ohatra, ny tolotra fandoavan-trosa amin'ny antonony dia mijanona ho fitomboan'ny fandaniana haingana indrindra amin'ny teti-bolan'i Afrika atsimon'i Sahara. Miteraka olana lehibe ny fitomboan'ny tolotra fandoavana trosa.
Saingy tamin'ny fihaonambe fanarenana ara-toekarena aorian'ny COVID-19 tany Paris, namoaka lahatsoratra fanehoan-kevitra mitaky fifanarahana vaovao ho an'i Afrika , lasitrasa vaovao hamahana ny fahalemen'ireo andrim-panjakana izay manohana ny firaisankina iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa eo amin'ireo firenena ny ankamaroan'ny filoham-pirenena Afrikana sy Eoropeana, notarihin'ny filoha Charles Michel ao amin'ny Filankevitra Eoropeana.
Ho an'ny hetsika voalohany amin'ity “fifanarahana vaovao” ity, ireo firenena Afrikana mahantra indrindra tsy mahazaka (mividy) vaksiny COVID-19 no hotohanana amin'ny alàlan'ny fampiasana ny zo manokan'ny FMI mba hamahana ny tsy fitoviana amin'ny fahazoana vaksiny. Faharoa, hifantoka amin'ny fampiasam-bola midadasika amin'ny fahasalamana, fanabeazana ary ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro izany mba hanohanana ny fanarenana sy ny fivoaran'ny kaontinanta amin'ny fanatrarana ny Tanjona Fampandrosoana Lovainjafy 2030 . Ity hetsika faharoa ity dia ho tanterahana amin'ny fanamafisana ny andraikitr'ireo andrim-panjakana ara-bola Afrikanina ao anatin'ny rafitra ara-bola iraisam-pirenena vaovao. Fahatelo, apetraka ny fifantohana amin’ny fahavitrihan’ny fandraharahana ao amin’ny kaontinanta amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fahazoana famatsiam-bola ho an’ireo mpandraharaha Afrikanina.
Tsy isalasalana fa nampitombo ny tsindry mihatra amin'i Eoropa, ny firenena mandroso ary amin'ny governemanta ny areti-mifindra sy ny fikatsahana hanao ity fifanarahana vaovao ity hanararaotana ny hirika mba hitondra fiovana eo amin'ny taranaka aty Afrika. Ny lesona tato anatin'ny volana vitsivitsy dia ny hoe tsy afaka manao tsinontsinona ny firenena sy kaontinanta hafa ireo firenena mandroso, raha hitady ny tombontsoany manokana.
Mety hisy fiantraikany amintsika rehetra ny aretina any amin'ny an'arivony kilaometatra mitarika ny hamehana ara-pahasalamana. Ka noho ny antony tombontsoan’ny tena sy ny fahaiza-mianina dia tsy afaka miamboho amin’i Afrika intsony ireo fitondram-panjakana any amin’ny tany mandroso. Izany no mahatonga ity fifanarahana vaovao ity ho fotoan'ny hirika tena izy sy tsara indrindra ho an'ny taranaka aty Afrika. Izao ny antony:
Voalohany, miova i Afrika—ary ho amin'ny tsara kokoa. Tanora maro no manomboka fihariana; nanambara ny fanadihadiana taona 2020 fa ny antsasaky ny tanora Afrikana no nilaza fa hanomboka hanangana orinasa raha omena 100 dolara amerikana. Mitondra soa ho an'ny kaontinanta izany. Misy ny taranaka Afrikana vaovao izay manolo-tena amin'ny fandraharahana, izay ahafahan'izao tontolo izao miasa. Noho izany, soamiditra ny fisantarana andraikitra hamatsy vola mpandraharaha.
Saingy, mba hahombiazan'ity fisantarana andraikitra ity, dia tsy maintsy tafiditra tsena vaovao mifampitantana amin'ny famatsiam-bola ho an'ny fihariana izany. Tsy maintsy manana fahafahana miditra amin'ny tsena mivelatra ireo mpandraharaha Afrikanina mba hifampiraharaha na hivarotra ny vokatra ary hividy fitaovana fampiasa raha te ho ao anatin'ny tontolo tena manerantany izy ireo. Nanamarika ny fikasana hanana fifandraisana ara-barotra vaovao amin'izao tontolo izao ny fananganana ny Fari-Pifampiraharahana Ara-barotra Malalaka Kaontinanta Afrikanina – African Continental Free Trade Area (AfCFTA) . Ary hisy fiatraikany lehibe amin'ny fahombiazan'ny AfCFTA i Eoropa satria i Eoropa no mpiara-miombon'antoka ara-barotra lehibe indrindra voalohany sy manan-tantara eto Afrika.
Faharoa, raha voafaritry ny fitomboan-karena tsy maharitra ireo taona lasan'ny fifandraisana tamin'i Afrika, ho faritana amin'ny kalitaon'ny fitantanana eto Afrika ny fahombiazan'ity fifanarahana vaovao ity. Izany no tadiavin'ny Afrikana amin'ity taranaka ity — governemanta madio sy mangarahara manolo-tena hanatsara ny fiainan'ny olom-pireneny. Araka ny efa fantatry ny besinimaro, ny fanampiana tsara miaraka amin'ny fitarihana mety dia afaka manampy ireo firenena handresy ireo fanamby goavana atrehin'izy ireo. Noho izany, tsy maintsy atsangana hanohanana ny ezaka rehetra amin'ny fitomboan-karena maharitra ny fahafahan'i Afrika hanana governemanta tsara sy mangarahara. Ary raha mbola mitombo sy manatsara ny fitantanany i Afrika, dia misy ny fahafahana hanova ifotony ny fifandraisana eo amin'i Afrika, Eoropa ary izao tontolo izao.
Farany, miaraka amin'ireo governemanta miasa, mila teknolojia mahomby i Afrika. Eo amintsika ny vanim-potoana ho avy amin'ny revolisiona ankihy ary tsy mikasa ny hiriorio ao anatin'izany ity taranaka Afrikana ity. Te-handray anjara lehibe amin'ny famolavolana ny revolisiona ankihy ity taranaka ity. Fonenan'ny mponina tanora indrindra maneran-tany izay mihabetsaka kokoa ny mampiasa finday i Afrika. Tena zava-dehibe amin'ny fahombiazan'ny fitomboan-karena rahatrizay ny rohivoary ankihy matanjaka sy marin-toerana satria manamafy ny torohain'ny mpanjifa sy ny fampiatiana ara-bola. Noho izany, satria manomana famatsiam-bola aty Afrika ny fifanarahana vaovao, ny fampiasam-bola amin'ny rohivoary ankihy no tsy maintsy ho ivon'izany.
Maro ny zavatra eto amin'izao tontolon'ny fanatontoloana ankehitriny izao mampiotana ireo mpisalasala sy ireo mpilaza zava-dratsy. Fanamby goavana ho an'izao tontolo izao ny hevitra tsara novoizina tamin'ny lahatsoratra fanehoan-kevitra navoakan'ireo mpitondra Afrikana sy Eoropeana nandritra ny fihaonambe fanarenana ara-toekarena aorian'ny COVID-19 tany Paris tamin'ny volana Mey 2021. Azo vitaina tsara io fifanarahana vaovao io, na izany aza. Tsy tokony hohamaivanina ny olana mety hatrehina—fa izao no fotoana tsara indrindra ho an'i Afrika amin'ny taranaka iray. Miankina amin’ny fitarihan’i Afrika sy Eoropa ankehitriny ny fanatrarana izany na tsia. Tsy misy ny antoka hahombiazana saingy tsy tokony ho antony nampandamoka azy ny faniriana hanandrana. |
https://mg.globalvoices.org/2021/12/04/154924/ | Miteraka ahiahy momba ny fiainana tsy ahahaka ny tsy fitoviana amin'ny politikan'ny fanangonana lahatahiry ao amin'ireo orinasa pan-Afrikàna sasany ao Oganda | 2021-12-04T04:04:32 | Unknown | Sary avy amin'i Mr_Achraf nalaina tamin'ny 17 aogositra 2021. Azon'ny rehetra ampiasaina, tsy mila fahazoana alalana ( CC0 )
Nanambara fihazohazoana amin'ny politikan'ny fiainana tsy ahahaka an'ireo orinasam-pifandraisana Airtel sy MTN, ireo orinasan'ny tolotra ara-bola toy ny Stanbic Bank, ary ny orinasa fiantohana Old Mutual ny Unwanted Witness, fikambanana fiarahamonim-pirenena any Ogandà tamin'ny tatitra 2021 nataony momba ny fiainana tsy ahahaka. Tena hafa amin'ny politikan'izy ireo any amin'ny faritra hafa ao amin'ny kaontinanta ny politikan'ny fiarovana ny angon-drakitra sy ny fiainana tsy ahahaka an'ireo orinasa Pan-Afrikanina miasa ao Ogandà ireo.
Nilaza tamin'ny Global Voices nandritra ny resadresaka tao amin'ny Zoom i Dorothy Mukasa, Tale Jeneralin'ny Unwanted Witness fa nanombatombana ny fanajana ny Lalànan'ny Fiarovana Angon-drakitra sy Fiainana tsy ahahaka Ongadey 2019 , izay nolaniana mba hiarovana ny zon'ny olom-pirenena momba ny fiainana tsy ahahaka amin'ny alalan'ny “fifehezana ny fanangonana torohain'ny tena manokana ao Ogandà sy any ivelany” ny fikarohana.
Samy manana politikan'ny fiarovana angon-drakitra sy fiainana tsy ahahaka manerana ny firenena afrikanina samihafa ny Airtel, MTN, Stanbic Bank ary ny Old Mutual. “Voaporofo tamin'ny fiovaovana miharihary amin'ny halavan'ny politikan'ny fiainana tsy ahahaka sy amin'ny isan'ny zo natao ho an'ireo mpiserasera izany. Tranga amin'ny fampiharana mampihazohazo amin'ny fampiasana ny politikan'ny fiainana tsy ahahaka izany”, hoy ny fanamarihan'ny tatitra.
Nanadihady ny isan'ireo teny tao amin'ireo antontan-taratasy politikan'ny fiainana tsy ahahaka sy ny angon-drakitr'ireo orinasa ireo tao Nizeria, Afrika atsimo sy Oganda ny Unwanted Witness. Nahita izy ireo fa vitsy ny teny ao amin'ny fanambaràna politika Ogandey raha oharina amin'i Nizeria sy Afrika Atsimo.
Ny vokatr'izany dia hoe “amin'ny maha kely kokoa ny teny, vitsy kokoa ny zo voalaza na tsy voalaza mihitsy” hoy ny fitarainan'ny tatitry ny Unwanted Witness.
Naoty ratsy momba ny fiainana tsy ahahaka ao Ogandà
Pikantsarin'ny haavon'ny fiarovana angon-drakitra manjaka ao amin'ny sokajim-pikambanana fito izay nohadihadiana tamin'ny tatitra momba ny naotin'ny fiainana tsy ahahaka nataon'ny Unwanted Witness tamin'ny taona 2021.
Nilaza i Mukasa fa manombatombana ny tatitra “Raha misy ireo orinasa any Oganda izay mirotsaka amin'ny raharaham-panangonana sy fikirakirana angon-drakitra. Ny antony fototra dia ny hiantohana fa misy ny fanajana ny fanangonana angon-drakitra, ny fialàna amin'ny fitrandrahana ny olona tsirairay amin'ny alàlan'ny fanangonana angon-drakitra. “
Ny fikarohana, izay nanomboka tamin'ny 20 Aogositra 2020, dia nanasongadina ireo sokajin'orinasa Ogandey 32 ho ao anaty sokajy fito lehibe: e-varotra, tolotra ara-bola, tolotra fifandraisandavitra, tolotra fiantohana, sampan-draharaham-panjakana, fiarovana ara-tsosialy, ary hopitaly/fitsaboana an'olontsotra. Mampihatra ny ambaratongan-kintana dimy, nandahatra ireo orinasa ireo tamin'ireto sehatra manaraka ireto ny tatitra: manaja ny fomba fanao tsara indrindra amin'ny fiainana tsy ahahaka, manome torohay ho an'ny tompon'ny angon-drakitra alohan'ny hanangonana ny angon-drakitra, manondro ireo (mpiantsehatra fahatelo) hizaràna ny angon-drakitra an-olontsotra, mampihatra fiarovana angon-drakitra matanjaka, ary mampahafantatra izay fangatahan'ny governemanta momba ny angon-drakitra.
Nanadihady ny “politikan'ny fiainana tsy ahahaka azo tsapain-tanana, mazava ary azon'ny besinimaro jerena” ny fikarohana. Izany, hoy i Mukasa, dia ny hiantohana fa “tsy hanova mangingina ny politikany ireo “mpanangona lahatahiry.” Nikasa hametraka ny tatitra fa tokony naharay ny “Fanekena nampahafantarina” ny mpanjifa ny orinasa alohan'ny hahazoana ny lahatahirin'izy ireo. Nanadihady ny fizarana ny lahatahiry amin'ny (mpiantsehatra fahatelo) ihany koa ny Unwanted Witness.
Mahatonga ny mpanjifa ho marefo any amin'ireo firenena tsy misy politika matanjaka momba ny fiarovana angon-drakitra ny politika mihazohazo momba ny lahatahiry sy ny fiainana tsy ahahaka ataon'ireo orinasa manerana an'i Afrika. Ohatra, maivan-danja ny antontan-taratasy politika an'ireo orinasa any Ogandà raha ampitahaina amin'ny antontan-taratasy politika “matanjaka kokoa” momba ny fiainana tsy ahahaka Nizeriana sy Afrikanina Tatsimo. Manolo-kevitra izany fa “matanjaka sy miasa ny lalàna sy ny manampahefana” any Nizeria sy Afrika Atsimo”, araka ny tatitra.
Nampiseho ny tsy fahampian'ny fanajana miharihary ny Lalàna momba ny Fiainana tsy ahahaka sy ny Fiarovana Angon-drakitra, ary ny fisian'ny toerana sy famantarana mpitsongo mpizaha ny ao amin'ireo orinasa maro nohadihadiana, amin'ireo finday sy ny fampiharan'ny tranonkala izay manangona sy mivarotra lahatahiry ho amin'ny tombotsoa ara-barotra tsy misy politika mangaraharaha.
Mampiseho ny famakafakana ny fomba fanajan'ny sampan-draharaham-panjakana sy ireo orinasa ao Ogandà ny lalàna fiarovana ny lahatahiry 2019 fa saika manaraka an-tsakany sy an-davany tsara amin'ny fitsipika fiarovana matanjaka ny lahatahiry ny ankamaroan'ny sehatra. Ny sampana mpanome tolotra ara-pahasalamana Ogandey no tsy dia mahavita indrindra eo amin'ity sehatra ity. Tolotra ara-pahasalamana maro no “manangona lahatahiry saingy … tsy manana rafitra fototra ho amin'ny fiainana tsy ahahaka. ” Nanazava i Muksa fa nampiantranoana antserasera miaraka amin'ny mpitsongodia izay “mamakafaka ny lahatahiry”, ka mampidi-doza ny “fiainana tsy ahahaka sy fiainan'ireo marary ” ireo angon-drakitr'olona manokana ireo.
Ny zo fiarovana lahatahiry sy ny orinasam-pifandraisandavitra Afrikana
Tsy ny tatitry ny Unwanted Witness no voalohany nahita fa manana firaisana tsikombakomba tamin'ny fanitsakitsahana ireo zo tsy hampihahaka fiainan'ireo Ogandey mpanjifany araka ny voalazan'ny lalàna Ogandey ireo orinasan'ny fifandraisan-davitra toy ny MTN sy ny Airtel. Ohatra, tsy nahavita nampahafantatra ireo mpampiasa ny “fomba fanangonana ny angon-dry zareo, sy ny izarana izany, ary ny antony” ny vondrona MTN monina any Afrika Atsimo araka ny Tondro 2019 momba ny Tamberin'Andraikitry ny Orinasa momba ny Zo Ankihy.
“Tsy dia mamoaka firy momba ny fomba fitantanany ny lahatahirin'olontsotra ny MTN ary tsy manana rafi-pitantanana matanjaka momba ny zon'olombelona”, hoy ny nosoratan'ilay mpanao gazety Abdi Latif Dahir avy ao amin'ny Quartz Africa. Tsy dia manome fampahalalana na tsy manome mihitsy ny habetsaky ny angon-drakitra angonony, ny faharetan'ny fitahirizana ny angon-drakitra, raha misy mpiantsehatra hafa (fahatelo) afa-miditra amin'izany, na ny arofenitra ampiasaina raha sanatria misy ny fanitsakitsahana ny fiainana tsy ahahaka ity vondrona fifandraisandavitra ity. “Tsy avoakany ny antsipiriany izay atahorana (amin'ny fiarovana) ny fiainana tsy ahahaka izay mety mitranga amin'ireo servisy dokambarotra ankihy mpitily,” hoy i Dahir nanoratra.
Namoaka tatitra momba ny fangaraharana ny vondrona MTN tamin'ny taona 2020 manazava amin'ny antsipirihany ny fomba fikirakirany ny mombamomba ireo mpanjifa 220 tapitrisa any amin'ny firenena Afrikanina 22 izay iasany. Na dia dingana lehibe amin'ny fiarovana ny angon-drakitra sy ny fiainana tsy ahahaka aza izany, dia tsy ampy.
Nangataka i Isedua Oribhabor sy Berhan Taye ao amin'ny fikambanana mpiaro ny zo ankihy Access Now mba “hanitaran'ny MTN ny tatitra ataony ka hanambara ireo torohay tena manandanja momba ny fangatahana fihazonana angon-drakitra, angon-draki-pifandraisana, metadata sy fampahalalana manodidina ny fametrahana ny teknolojiam-pisakanana, ary ny dingana raisin'ny MTN handavana ireo fangatahana tsy mety, ao anatin'izany ny fampahalalana amin'ny antsipiriany ny fomba fitantanany ny baiko fanakatonana aterineto.
” Tamin'ny volana Aprily 2021, firenena Afrikana 28 (amin'ireo 54) no namoaka lalàna sy fitsipika hiarovana ny angon-drakitra an'olontsotra manokana. Mampiseho izany fa mihamitraka ao amin'ny kaontinanta ny lalàna fiarovana ny angon-drakitra. Nilaza anefa i Mukosa ao amin’ny Unwanted Witness hoe: “Ny fampiharana no dingana sarotra indrindra amin’ny fiarovana ny angona eto Afrika.” Noho izany, nanantitrantitra i Mukasa fa tsara toerana tsara kokoa hiaro ny zo momba ny angon-drakitra sy ny fanitsakitsahana ny fiainana tsy ahahaka ao amin'ny kaontinanta ny fiarahamonim-pirenena, rehefa mahaleotena . |
https://mg.globalvoices.org/2021/12/12/154890/ | Ahoana ny mety hampiatoan'ny fanonganam-panjakana nataon'i Burhan an'i Sodàna tsy hiditra ao amin'ny fianakaviambe iraisampirenena | 2021-12-12T11:19:39 | Unknown | Fanonganam-panjakana Miaramila Sodana: Sary nahazoan-dalana Agence France-Presse, (CC0 1.0) Sudan Military Coup : Photo credit Agence France-Presse, (CC0 1.0)
Nitarika fanonganam-panjakana tao Sodàna tamin'ny 25 Oktobra 2021 ny Jeneraly Burhan — filohan'ny Filankevitry ny Fiandrianam-pirenena Sodaney. Nohamarinin'ny Jeneraly Burhan ny fanonganam-panjakana tamin'ny Alatsinainy, tamin'ny filazana fa nilaina izany mba “hisorohana ny ady an-trano” ary nanome tsiny ny ady politika anatiny izy. Nosamborin'ny polisy tao ambadiky ny fanonganam-panjakana ny praiminisitra Abdalla Hamdok, niaraka tamin'ireo minisitra sy mpanao politika maro .
Namaly ny fanonganam-panjakana tamin’ny fomba maro ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Niampanga ny fanonganam-panjakana i Etazonia ary nampiato ny fanampiana 700 tapitrisa dolara Amerikana ho an'i Sodana. Samy nanameloka ny fanonganam-panjakana ara-miaramila ny UK sy ny Vondrona Eoropeana ary nampiato ny maha-mpikambana an'i Sodàna ny Vondrona Afrikana ary nilaza ny fanonganam-panjakana ho “tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana”.
Antso handravana ny governemanta
Tamin'ny 16 Oktobra 2021, nosoniavin ‘ny vondrona iray nilaza ny tenany ho Vondron'ny Fifanaraham-Pirenena (NAG) rehefa nisintaka tao amin'ny Tafiky ny Fahalalahana sy ny Fanovàna na Forces of Freedom and Change (FFC) — izay fiaraha-mitantana nitondra ny firenena amin'ny vanim-potoana tetezamita — ny Satan'ny Fifanarahana Nasionaly handravana ny kabinetran'ny tetezamitan'i Sodàna . Nitranga ny fiantsoana ny fandravana noho ny disadisa teo amin'ny governemanta Sodaney, ny FFC, sy ny vondrona mitam-piadiana sasany ary vondrona politika madinika. Anisan'ireo nanao sonia ny Hetsika/Tafika Fanafahana an'i Sodàna notarihin'i Minni Minawi, izay governoran'ny faritr'i Darfur ihany koa; ny Hetsika Rariny sy Hitsiny (JEM); Altom Hajo, mpikambana ao amin'ny Filankevitry ny mpiara-miombon'antoka ary mpitarika ny lalana afovoany amin'ny fifanarahana Juba ho an'ny fandriampahalemana ao Sodàna; sy Mubarak Ardol, mpitarika ny Fiaraha-mientana Demaokratika ho an'ny Rariny ara-tsosialy , ary ny tale jeneralin'ny orinasa Sodaney misahana ny harena an-kibon'ny tany.
Nangataka ny fanitarana ny fototry ny tetezamita ny NAG tamin'ny alalan'ny fampidirana ireo antoko politika sy fironana hafa- voambolana ampiasaina hanondroana ireo antoko politika madinidinika ao Sodàna ho fironana ho avy, amin'ny fiaraha-mientan'ny FFC sy ny governemanta satria nahatsiaro ho voahilikiliky ny antokon'ny fitondrana izy ireo. Nikarakara sit-in teo anilan'ny lapan'ny repoblika tao Khartoum izy ireo, hetsika izay voalaza fa nahitana fiantsoana ny fahefana ara-miaramila sy antso handravana ny governemanta .
Nanamarika ireo mpikatroka Sodaney dia fa maro amin'ireo mpitarika sit-in no manampahefana ao amin'ny governemanta amin'izao fotoana izao. Nokarakarain'ny Minisitry ny Fitantanam-bola Gibril Ibrahim, mpitarika ny JEM, Minni Minawi, Altom Hago, ary Mubarak Ardol. Mpikatroka maro no niditra tao amin'ny media sosialy mba hiresaka momba ity hetsika ity, manontany tena hoe ahoana no ahafahan'ny manampahefana ao amin'ny governemanta mitaky fanavaozana nefa tsy misy mandrahona ny sezany eo amin'ny fitondrana.
Hoy i Hoshi, mpikatroka Sodaney iray :
#كلام_يمثلني | كتب هشام #ودقلبا
(جبريل) و (مناوي) أستوزروا وأصبحوا حكاماً لأقاليم وأستحوزوا على 7 وزارات وعشرات الإدارات والمجالس بحكومة الفترة الإنتقالية عبر إتفاق سلام جوبا الموقع مع (الحرية والتغيير) ، وليس عبر (الحرية والتغيير). السؤال : وين الإقصاء هنا ؟؟
— IBRAHIM HOSHA (@WADHOSHA) October 3, 2021
Lasa minisitra sy governoran’ny faritra i (Gibril) sy (Minawi) ary nahazo ministera mihoatra ny 7 sy departemanta ampolony sy filankevitra am-polony tao amin’ny fitondrana tetezamita tamin’ny alalan’ny Fifanarahana momba ny fandriampahalemana Juba niarahana nosoniavina tamin’ny (Fahafahana sy Fanovana), fa tsy tamin’ny alalan’ny (Fahafahana sy Fiovana). Ny fanontaniana dia aiza ny fanilihana eto??
Nanoratra tao amin'ny Twitter momba ny fahavononan'i Sodàna hanaisotra ireo olom-pireneny mpikarama an'ady hiala an'i Libya i Hatim Elmadani , mpanorina ny Fikambanan'ny Haino Vaky Jery Fanadihadiana ao Sodàna. Manana fifandraisana amin'ny Hetsik'i Jibril sy Minawi ireo mpikarama an'ady Sodaney ireo, noho izany dia manohana ny fanonganam-panjakana izy ireo mba hamatsiana ny fiverenan'ny milisiny avy any Libia satria mety tsy hamatsy vola izany ny governemanta sivily. Hoy i Hatim:
Betrayal of the mercenary government: What does the taxpayer or the citizen have to do with helping cheap mercenaries?? Why are they allowed to return or even enter Sudan in the future? Now, do you know why they staged a military coup at this time?
Famadihan'ny fitondrana mpikarama an'ady: inona no idiran'ny mpandoa hetra na ny olom-pirenena amin'ny fanampiana ireo mpikarama an'ady mora?? Nahoana izy ireo no avela hiverina na hiditra an'i Sodàna rahatrizay? Ankehitriny, fantatrao ve ny antony nanaovan'izy ireo fanonganam-panjakana ara-miaramila tamin'izany fotoana izany?
Nilaza ny mpikatroka sasany fa mandray anjara amin'ity hetsika ity i Ardol mba hiarovana ny tenany amin'ny fiampangana ny kolikoly. Nandefa farangoteny #أردول_فاسد — #Ardoliscorrupted ny vahoaka Sodaney.
فساد وتحايل النظام البائد علي القانون يدفع ثمن المواطن في #السودان اليوم، ما قام به مبارك اردول هو الفساد بعينه وما تم اتخاذه من قررات ضعيفة جدا لاترتقي الي مستوي ان هناك شباب وشيبا ثارو ضد الظلم والفساد، لو تم السكوت عنها معناها الجاي صعب #اردول_فاسد #شركة_السودانية _للتعدين
— Sawsan Sinada (@sawsansinada) August 11, 2021
Naloan'ny olompirenena ao Sodàna amin'izao fotoana izao ny kolikoly sy ny fahadisoam-panantenana tamin'ny fitondrana teo aloha momba ny lalàna. Na ny zavatra nataon'i Mubarak Ardol aza dia kolikoly ihany, ary tena malemy sy tsy miakatra amin'ny ambaratonga hoe misy tanora sy antitra nikomy tamin'ny tsy rariny sy ny kolikoly ny fanapahan-kevitra noraisina. Raha mangina dia midika izany fa ratsy kokoa ny manaraka.
Ny mety ho antony ara-bola nahatonga ny fanonganam-panjakana
Tamin'ny sioka nalefa tamin'ny 31 Oktobra 2021 , nilaza i Kenneth Roth, tale mpanatanteraka ny Human Rights Watch fa mety ho misy antony ara-bola ny nahatonga ny fanonganam-panjakana.
An important motive behind the coups in both Myanmar and Sudan are the vast business interests of both militaries, which they don't want to relinquish or submit to civilian control. The generals want their profits before democracy. https://t.co/yLJ8nxL9e3 https://t.co/6ip6xlRu7X pic.twitter.com/g2WNpc9aC7
— Kenneth Roth (@KenRoth) October 31, 2021
Antony lehibe iray ao ambadiky ny fanonganam-panjakana ao Myanmar sy Sodàna ny tombotsoa ara-barotra goavana ho an'ny miaramila roa tonta, izay tsy tian'izy ireo hafoy na omena hofehezin'ny sivily. Ny tombonsoa no tadiavin'ny jeneraly alohan'ny demaokrasia.
Mitondra mankany amin'ny finoana izany ny fandroahan'i Buhran an'i Farouq Kambareesi , tale jeneraly lefitry ny Banky Foiben'i Khartoum, satria tsy nety nanaiky ny fampindramam-bola ho an'ny departemantan'ny indostrian'ny miaramila izy.
Fifaharam-bahoaka sy fahanginam-pifandraisana
Rehefa nahare ny fanonganam-panjakana tamin'ny 25 Oktobra ny vahoaka Sodaney, dia nidina an-dalambe izy ireo , nitsipaka ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Nakaton'ny manam-pahefana ny fomba fifandraisana rehetra, anisan'izany ny aterineto, ny finday ary ny SMS. Nanameloka ny fahatapahan'ny fifandraisana ny Access Now sy ny fikambanana iraisam-pirenena hafa.
BREAKING: Following the military coup making headlines, Sudanese authorities began shutting down access to the internet & telecommunications services today.
We denounce the shutdown & urge the authorities to restore full access: https://t.co/yFzn5W8itZ #KeepEyesOnSudan #KeepItOn
— Access Now (@accessnow) October 25, 2021
MAFANA: Taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila, dia nanomboka nanakatona ny fidirana amin'ny aterineto & tolotra fifandraisandavitra ny manampahefana Sodaney androany.
Miampanga ny fanakatonana izahay ary manentana ny manampahefana hamerina izany amin'ny laoniny.
Fanakatonana aterineto ao Sodàna: Ny tantara ambadiky ny isa sy ny antontanisa
Tao anatin'ny roa taona farany , niaina fanakatonana aterineto roa lehibe ny vahoaka Sodaney izay nanelingelina fatratra ny fifandraisana fototra sy ny fifanakalozam-bola nandritra ny vanim-potoana mavesatra ara-politika. Tao anatin'ny revolisiona izay nitarika ny fandroahana an'i Omar al-Bashir, mpanao didy jadona hatry ny ela, nosakanan'ny governemanta Sodaney ny fidirana amin'ny media sosialy amin'ny Facebook, Twitter, WhatsApp ary Instagram tamin'ny 19 Desambra 2018.
Torak'izany ihany koa, indray andro taorian'ny fanonganam-panjakana amin'izao fotoana, navelan'ny manampahefana ho an'ny servisy banky an-tserasera ihany ny antso an-telefônina sy ny aterineto . Nanohy ny fihetsiketsehana teny an-dalambe ny vahoaka Sodaney ary niantso diabe an-tapitrisa tamin'ny 30 Oktobra. Ny marainan'ny 30 Oktobra, notapahin'ny manampahefana mpanongam-panjakana indray ny antso an-telefônina sy SMS hisorohana ny fifandrindrana eo amin'ny komitim-pifaharana . Tsy nahasakana ny vahoaka Sodaney ity fahatapahana ity, satria olom-pirenena maherin'ny efatra tapitrisa no nidina an-dalambe mba hanameloka ny fanonganam-panjakana ara-miaramila ary nitaky ny hamerenana ny governemanta sivily amin'ny laoniny, araka ny tombatomban'ny Sky News Arabia .
Naneho hevitra momba ny diabe i Osman Ay Farah, mpanolotra fandaharana ao amin'ny Al Jazeera, nanao hoe:
في #السودان اليوم لست مضطراً لمشاهدة التلفزيون لتعرف ما يحدث..ليس عليك إلا أن تفتح النافذة.
— عثمان آي فرح (@ayfaraho) October 30, 2021
Any Sodàna ankehitriny, tsy mila mijery tele ianao vao hahalala ny zava-mitranga. Mila manokatra ny varavarankely fotsiny ianao.
Nandeha nanohana ny rahalahiny sy anabaviny tany Sodana ny vahoaka Sodaney ampielezana. Tany Washington D.C., an'arivony no nanao diabe hanohana ny fitondrana sivily tany Sodàna.
Protesters from Sudan in Washington D.C against the military coup in Sudan October 30/ 2021 #KeepEyesOnSudan #مليونية30اكتوبر pic.twitter.com/BA0IWjBg4u
— Ahmed Ali (@ahmed_ali2340) October 30, 2021
Mpanao fihetsiketsehana avy any Sodàna tao Washington D.C nanohitra ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila tany Sodàna 30/10/2021#KeepEyesOnSudan #مليونية30اكتوبر p
Natrehin'ny Vondrona Fifanaraham-pirenena (NAG) tamin'ny herisetra tafahoatra ny fihetsiketsehana am-pilaminana. Araka ny tatitra avy amin'ny Komity Foiben'ny Dokotera Sodaney (CCSD), olona 11 no maty nanomboka ny 25 Oktobra, andron'ny fanonganam-panjakana.
Central Committee Of Sudan Doctors (CCSD)
(Updated Report about injuries and deaths on October 30th demonstrations):
- Two martyrs in Omdurman Hospital, and a third in the Al-Arbaeen Hospital in Omdurman, bringing the total number of deaths documented to us to 11 since pic.twitter.com/xAns1YKj8c
— لجنة أطباء السودان المركزية-CCSD (@SD_DOCTORS) October 31, 2021
Komity Foiben'ny Dokoteran'i Sodàna (CCSD) (Tatitra vaovao momba ny ratra sy ny fahafatesana nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 30 Oktobra): – Maritiora roa tao amin'ny Hopitaly Omdurman, ary ny fahatelo tao amin'ny Hopitaly Al-Arbaeen ao Omdurman, ka 11 ny fitambaran'ny isan'ny maty voarakitra an-tsoratra
Ny ampitson'ny diabe an-tapitrisa noafahan'i Burhan ny sasany tamin'ireo mpikambana ao amin'ny fitondrana Islamista al-Bashir voaongana anisan'izany i Ibrahim Ghandour — filohan'ny antoko NCP efa rava izay noafahana avy eo nosamborina indray. Navotsotra ihany koa i Mohamed Tabidi sy Al-Shazali, izay tompon'andraikitra tamin'ny fampihorohoroana, fanagadrana, ary fanenjehana mpanao gazety, ary i Mohamed Ali Algozouli , Islamista hiringiriny mifandray amin'ny ISIS, izay nogadraina indray 24 ora taoriana .
Olona maro no lasa saina amin'ny fomba fisainan'i Burhan, satria vao haingana i Sodàna dia no niasa hanatsara fifandraisana amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena taorian'ny sazy am-polony taona maro niaretany. Vokatry ny fanonganam-panjakana, nohidin'ny Banky Iraisam-pirenena ny fanampiana ho an'i Sodàna ary ny nanafoana ny fitsapana PLAB 1 tao Khartoum ny Vaomieram-Pitsaboana Ankapobeny izay midika fa voafetra ny fisoratana anarana ho an'ireo dokotera mahafeno fepetra ivelan'ny UK ary maniry ny hanao fitsaboana any UK.
Ny fanontaniana dia hoe, hiala an'io toerana vaovao io ve i Burhan sy i Hemeti sa hoesorin'ny vahoaka tahaka ny nataon'izy ireo an'i Al-Bashir ? |
https://mg.globalvoices.org/2021/11/13/154839/ | Tsy holavina amin'ny Mozambikana noho ny fomba fitafiny intsony ny fitsaboana | 2021-11-13T05:12:47 | Unknown | Mifarana hatreo ny tsy fahazoana fitsaboana noho ny fomba fitafy | Sary Kiadin'Olompirenena ho amin'ny Fahasalamana (nahazoana alalana, Novambra 2021)
Taona maro izay, tsy nisy loatra ny niteny ny fitsipiky ny hopitaly manakana marary noho ny fitafiany na ny bika aman'endriny any Mozambika. Nanomboka niova ny toe-draharaha tamin'ny Jona 2020 rehefa misy fikambanana antsoina hoe Kiadin'Olompirenena ho amin'ny Fahasalamana ( OCS ) namoaka fanangonan-tsonia mitaky ny fahazoan'ny Mozambikana rehetra fitsaboana mitovy — tsy ijerena tavan'olona.
Mandra-pahatongan'io fotoana io, ny olona manao akanjo fohy zipo, kiraro tsotra, short, fitafiana fanatanjahan-tena, akanjo mampiharihary vatana/foitra, eny fa na dia ireo mandrandrana volo ho dreadlocks aza dia mety averin'ny hopitaly sy ny mpanome tolotra fitsaboana mody maina.
Namoaka fikarohana momba ny lohahevitra ny OCS, milaza fa fanitsakitsahana mazava ny zon'olombelona ny fanakanana olona tsy hiditra toeram-pitsaboana noho ny fomba fitafiny. Manitsakitsaka ny Lalàmpanorenana Repoblikana an'i Mozambika sy ny fifanekena iraisam-pirenena ho amin'ny fiarovana ny Zon'olombelona, toy ny Sata Afrikana momba ny Zon'Olombelona sy ny Vahoaka izany fomba izany.
Araka ny OCS, tamin'ny Oktobra 2020, ny Minisiteran'ny Fahasalamana (MISAU), amin'ny alalan'ny Fitaleavam-Pirenena amin'ny Tolo-tanam-pitsaboana, dia namoaka tenimidina nanakivy matihanina ara-pahasalamana handrara ny olona amin'ny fidirana toeram-pahasalamana noho ny fomba fitafiny.
Na izany aza, herintaona monja tatỳ aoriana, tamin'ny Oktobra 2021, nisy ny fepetra noraisina nihatra tamin'ny fomba ofisialy mandrara ny fanavakavahana, izay navoaka any amin'ny hopitaly manerana ny firenena. Niantso izany fihetsika izany ho zava-bita lehibe ny OCS, indrindra mandritra ny areti-mifindra Coronavirus;
É proibido que os profissionais de saúde impeçam o acesso aos serviços de #saúde em função da roupa pic.twitter.com/od4P5I1Tjg
— Observatório do Cidadão para Saúde (OCS) (@DoObservatorio) November 4, 2021
Voarara ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana ny misoroka ny fidiran'ny olona amin'ny tolo-pitsaboana noho ny fomba fitafy
O Observatório Cidadão para Saúde (OCS) iniciou com a fixação de cartazes, nas Unidades Sanitárias da cidade de Maputo, contendo mensagens que anunciam o fim da proibição de acesso às unidades de saúde em função da indumentária pic.twitter.com/wbKF2WdubU
— Observatório do Cidadão para Saúde (OCS) (@DoObservatorio) October 20, 2021
Nanomboka nametraka afisy tany amin'ireo toeram-pitsaboana tao an-tanànan'i Maputo, mirakitra hafatra nanambara ny fiafaran ‘ny fanakanana fidirana amin'ny toeram-pitsaboana noho ny fomba fitafy ny Kiadin'Olom-pirenena ho an'ny Fahasalamana (OCS)
Niravoravo Iva Mugalela, mpampianatra dihy, tao amin'ny pejiny Facebook, nilaza fa ny fanapahan-kevitra nandrasana ela izany:
Tolona be dia be, saingy soa fa natao… Manantena aho fa miparitaka any amin'ny andrim-panjakana hafa izany…. fa ny amin'ny dreads ???? Clélia Francelina, fantatro izany dia ampahany amin'ny asanao izany, mankalaza e… Julio Messa, izay izany, fara faharatsiny ianao afaka manao short, tsy misy rarin-tsaina (na dia ny tsy mandeha aza no zavatra tsara indrindra).
Hiara-mandeha amin'ity bokikely anaty kitapoko sy ny sary amin'ny telefaoniko ity aho…
Mbola miady ao anatin'ny fianakaviako mba hahatakaran'ny olona fa tsy lasa hafa amin'ny mahaizy, amin'ny fomba fisaina momba ny fiaraha-monina ny fanaovana Dreadlocks. Tsy avy eny andalambe fa avy ao an-trano mihitsy io fanamenàrana io. Mila miala amin'ny fanjanahan-tsaina isika.
Tokony horaràna amin'ny matihanin'ny fitsaboana ny manontany zavatra tsy tena ilaina amin'ny marary mila fikarakarana haingana….Narary tsy nisy tahaka izany aho, teo anelanelan'ny fiainana sy ny fahafatesana fa mbola tsy te-hijery ahy ry zareo raha tsy mameno ny fepetra.
Tsy manana fototra ara-dalàna any Mozambika ny fameperana ara-fitafy, ary mihevitra ny Kiadin'Olompirenena ho amin'ny Fahasalamana fa nifototra tamin'ny fomba amam-panao sy riba eo an-toerana no nipoiran'ny fandraràna teo amin'ny sehatry ny asa.
Na izany aza, nanamarika ny famakafakan'ny fikambanana fa tsy azo tanterahana ny maka angon-drakitra na isa mazava momba ny fijalian'ny olona noho ny fameperana. Noho izany, manantena ny Kiadin'Olompirenena ho amin'ny Fahasalamana hanangona vokatry ny fanovana eo amin'ny servisim-pitsaboana ao Mozambika. |
https://mg.globalvoices.org/2021/10/28/154680/ | Ny naposaky ny Pandora Papers manerana ny firenena miteny paortiogey | 2021-10-28T03:46:20 | Unknown | Pandora Papers — pikantsary avy amin'ny fantsona Youtuben'ny ICIJ , 15 Oktobra 2021
T amin'ny voalohandohan'ny volana oktobra 2021, nampiharihary fandosirana hetra iraisampirenena goavana indrindra fantatra hatramin'izao ny tetikasa iarahan'ny tambajotran'ireo mpanao gazety iraisampirenena .
Fantatra amin'ny anarana hoe Pandora Papers ny tatitra, ahitana antontan-taratasy manodidina ny 12 tapitrisa ary mamoaka ho tazamaso ireo fifampiraharahana ara-bola manjavozavo ataon'ireo olo-malaza ambony isan-karazany, anisan'izany ireo mpanao politika any amin'ny firenena miteny paortiogey toa an'i Mozambika, Angola, Portiogaly ary Brezila.
Vokatry ny fanadihadiana niarahana tamin'ny Fikambanamben'Orinasa Iraisampirenen'ireo Mpanao gazety Mpanao fanadihadiana (ICIJ amin'ny teny Anglisy) ny tatitra, izay nanambara fa mpanao politika, olo-malaza ara-pivavahana, olona fanta-bahoaka ary mpanjaka — anisan'izany ireo mpiasam-panjakana 300, filoham-panjakana 35, ary miliaridera 130 — no nanangana kaonty any amin'ny banky any amin'ny firenena paradisan'ny hetra mba hanafenana ny harenan'izy ireo sy ny fanaon'izy ireo ara-bola.
Ahitana vaovao farany momba ireo fanadihadiana teo aloha ireo tatitra ireo, anisan'izany ny Panama Papers sy ny Paradise Papers tamin'ny taona 2016 sy 2017.
Ny voalohany dia miresaka momba ny fivoahan'ny antontan-taratasy tsiambaratelo maherin'ny 11 tapitrisa avy amin'ny orinasa mpanao lalàna Panameana Mossack Fonseca, izay mitantara amin'ny antsipiriany momba ireo orinasa offshore maherin'ny 214.000 sy ny anaran'ireo tompon'andraikitra ao aminy. Ny faharoa kosa ahitana antontan-taratasy maherin'ny 13 tapitrisa mitovy lohahevitra (amin'ny teo aloha).
Angola, Mozambika ary Paortiogaly
Mpanao politika maro no voarohirohy tany Angola, Mozambika ary Paortiogaly. Talohan'izay, tsy niraikitra tamin'ny tantara manafintohin'ny offshore ny anaran'izy ireo. Nanambara tambajotra ara-bola maizina mampifandray an'i Paortiogaly sy Mozambika ihany koa ny tatitra:
Nuno Morais Sarmento, vice-presidente de @RuiRioPSD (o homem que vinha dar um banho de ética à política portuguesa), foi apanhado nos Pandora Papers. O ex-ministro da Justiça do PSD usou uma empresa offshore sediada nas Ilhas Virgens Britânicas para fazer negócios em Moçambique.
— Fabian Figueiredo (@ffigueiredo14) October 3, 2021
Tratra tao amin'ny Pandora Papers i Nuno Morais Sarmento, filoha lefitry ny @RuiRioPSD (ilay lehilahy tonga nanadio ny etika teo amin'ny politika Paortiogey). Nampiasa orinasa offshore ao amin'ny Nosy Virijiny Britanika ny minisitry ny Fitsarana PSD teo aloha mba hanaovana fandraharahana any Mozambika.
Araka ny antontan-taratasy, voalaza fa nampiasa vola offshore (ivelan-tsisitany) i Nuno Morais Sarmento hividianana sekoly fitsorahana anaty dobo filomanisana sy hotely iray any Mozambika tamin'ny taona 2006. Nanatanteraka izany ireo orinasa offshore mba hiala amin'ny fameperana manodidina ireo vahiny manana orinasa na fananana ao Mozambika. Na izany aza, nolavin’ity mpanao politika ity izay mety ho fanao tsy mety amin’ity raharaha ity. Ankoatra an'i Nuno Morais, voarohirohy ihany koa ireo mpanao politika Vitalino Canas sy Manuel Pinho .
Tsara marihina anefa fa tsy voararan’ny lalàna ny fandosirana hetra sy ny orinasa any ivelany. Raha lazaina amin'ny teny hafa, mba hoheverina ho ara-dalàna, dia tsy maintsy manambara ny fidiram-bolany any amin'ny firenena nisoratana anarana ny orinasa izy ireo. Manomboka eo dia afaka miditra amin'ny fandraharahana iraisampirenena izy ireo.
Nitatitra ny gazety iray ao an-toerana any Mozambika fa tafiditra tamin'ny angon-drakitra Pandora Papers maherin'ny 11 tapitrisa ny praiminisitra teo aloha, Aires Ali :
Aires Ali denunciado nos #PandoraLeaks : ele tem riqueza oculta registada nas Seychelles https://t.co/X1ZJTw3EVJ e há uma ligação a #Portugal : “Em 2013, ele e a sua filha.. autorizaram a empresa a abrir uma conta bancária numa empresa de gestão de património com sede em Lisboa.”
— Michael Hagedorn (@mich_hagedorn) October 4, 2021
Tafiditra tamin'ny #PandoraLeaks i Aires Ali: manana harena miafina voasoratra ao Seychelles izy ary misy ny rohy mankany #Portugal: “Tamin'ny taona 2013, nanome alalana ny orinasa hanokatra kaonty banky any amin'ny orinasa iray mitantana harena any Lisbonne izy sy ny zanany vavy.”
Efa ela nihetezana teo amin'ny politika Mozambikana i Aires Ali. Praiminisitra nandritra ny roa taona izy, 2010–2012, mandra-pandroahana azy tamin'ny fanovana kabinetra. Izy no minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny taona 2005–2010 ary indroa no governoran'ny faritany. Efa masoivoho tany Shina tamin'ny taona 2016-2017 ihany koa izy. Hatreto dia tsy mbola naneho hevitra ampahibemaso momba ny fiampangana izy.
Mandritra izany, tsy mbola nisy anarana manokana nambara tany Angola, saingy milaza ny vaovao misy fa farafaharatsiny mpanao politika Angoley sivy no voarohirohy tamin'ny Pandora Papers. Marihina fa mikasika ny kolikoly niainga tany Luanda (Angola) tamin'ny fiandohan'ny taona 2020 ny fanadihadiana farany nataon'ny ICIJ ary lasa fantatra amin'ny anarana hoe Luanda Leaks . Miampanga an'i Isabel dos Santos, zanakavavin'ny filoham-pirenena Angoley teo aloha José Eduardo dos Santos ho nanodinkodina vola tamin'ny alalan'ny raharaham-panjakana isan-karazany ny Luanda Leaks.
Tratran'ny tantara ratsy ny governemantan'i Bolsonaro a ny Brezila
Nahita ireo mpitati-baovao Breziliana tafiditra tamin'ny fanadihadian'ny ICIJ fa Breziliana teo amin'ny 2000 teo ho eo nisoratra anarana tamin'ny paradisan'ny hetra. Tsy ara-dalàna any Brezila ny fananana orinasa any ivelany, raha tsy hoe nambara tamin'ny sampan-draharaham-bola federaly izy ireo ary rehefa mihoatra ny 1 tapitrisa dolara ny fananany, dia ambara any amin'ny Banky Foibe.
Anisan'ireo anarana ireo ny olona roa manan-danja indrindra amin'ny politika ara-toekarena ao Brezila, ny minisitry ny Vola Paulo Guedes sy ny filohan'ny Banky Foibe Roberto Campos Neto. Voatanisa ihany koa ireo olona mpandraharaha malaza maro manohana ny governemantan'i Bolsonaro, anisan'izany i Luciano Hang sy Otávio Fakhoury.
Samy eo ambany fanadihadiana ataon'ny Vaomieran'ny Fanadihadiana Parlemantera momba ny fitantanan'ny governemanta ny valan'aretina COVID-19 sy ny Fitsarana Tampony tamin'ny famatsiam-bola ireo mpanentana vaovao faikany na i Hang na i Fakhoury. Nampanantsoina i Guedes sy Campos Neto mba hanome fanazavana any amin'ny Vaomieran'ny Raharaha Ara-toekarena (CAE) an'ny Antenimieran-doholona. Hatreto dia mbola nolavin'izy ireo ny fisian'ny tsy ara-dalàna rehetra.
Na izany aza, mandràra ireo manampahefana ambony tsy hanana tombontsoa ara-bola any Brezila na any ivelany izay mety hisy fiantraikany amin'ny politikan'ny governemanta ny Andininy faha-5 amin'ny Fehezan-dalàna fitondran-tenan'ny hisahana Fitantanana Federaly ambony. Hatramin'ny nidirany tao amin'ny governemantan'i Bolsonaro tamin'ny taona 2019, nampitombo ny fananany any ivelany hatramin'ny 14 tapitrisa real Breziliana (2,55 tapitrisa dolara amerikana) i Guedes.
Fanehoan-kevitra samihafa
Miovaova arakaraka ny firenena ny fanehoan-kevitry ny vahoaka manoloana ny tatitra, miankina betsaka amin'ny vaovao nambara sy ny fomba nitateran'ny haino aman-jery izany. Tany Mozambika, nahita ny mpisera aterineto iray fa saika tsy voamarika ilay raharaha, ohatra iray amin'ny fanjakazan'ireo mpanao politika ny haino aman-jery ao amin'ny firenena:
Portanto, o jornalismo ainda é um instrumento político ao uso dos políticos de quem os mídia “gostam”. Impressionante como nenhum jornal Moçambicano reportou a questão do Aires Ali aparecer no Pandora Papers. @soicotelevisao @opaisonline @CIPMoz
— Valter Micas (@tumbeleluane) October 4, 2021
Noho izany, mbola fitaovana politika ampiasain’ny mpanao politika ny asa fanaovan-gazety izay “tian’ny haino aman-jery”. Mahavariana fa tsy nisy gazety Mozambikana nitatitra ny raharaha Aires Ali niseho tao amin'ny Pandora Papers
Tsy azo lazaina ho toy izany koa ny any Paortiogaly, izay niadian-kevitra be ny raharaha.
Pandora Papers ? Três políticos portugueses apanhados pela super investigação jornalística internacional ?? ?? Vitalino Canas (PS) ?? Manuel Pinho (PS) ?? Nuno Morais Sarmento (PSD) pic.twitter.com/p0rrBVMEcz
— Política24 (@Politica24PT) October 4, 2021
Pandora Papers ? Mpanao politika Portiogey telo no tratra tamin'ny fanadihadiana tsara nataon'ny mpanao gazety iraisam-pirenena ?? ?? Vitalino Canas (PS) ?? Manuel Pinho (PS) ?? Nuno Morais Sarmento (PSD)
João Paulo Batalha, ativista contra fenómenos de corrupção, confessa que já esperava que o nome de Manuel Pinho estivesse envolvido nos Pandora Papers, mas confessa que foi surpreendido pelos nomes de Nuno Morais Sarmento e Vitalino Canas https://t.co/V7jM53bN5n
— TVI (@tvi) October 4, 2021
João Paulo Batalha, mpikatroka miady amin'ny kolikoly, nilaza fa nanantena izy fa tafiditra tamin'ny Pandora Papers ny anaran'i Manuel Pinho, saingy niaiky izy fa gaga tamin'ny anaran'i Nuno Morais Sarmento sy Vitalino Canas. |
https://mg.globalvoices.org/2021/11/04/154685/ | Nandrombaka ny Loka Camões 2021 i Paulina Chiziane, mpanoratra Mozambikana | 2021-11-04T05:13:51 | Unknown | Paulina Chiziane | Photofestival Satinidades 2014 | Flickr CC BY-SA 2.0
O júri decidiu por unanimidade atribuir o Prémio à escritora moçambicana Paulina Chiziane, destacando a sua vasta produção e receção crítica, bem como o reconhecimento académico e institucional da sua obra.
O júri referiu também a importância que dedica nos seus livros aos problemas da mulher moçambicana e africana. O júri sublinhou o seu trabalho recente de aproximação aos jovens, nomeadamente na construção de pontes entre a literatura e outras artes.
Paulina Chiziane está traduzida em muitos países, e é hoje uma das vozes da ficção africana mais conhecidas internacionalmente, tendo já recebido vários prémios e condecorações.
Niresaka ny maha zava-dehibe ny bokiny natokany momba ny olan'ny vehivavy Mozambikana sy Afrikana ihany koa ny mpitsara. Nasongadin’ny mpitsara ny asany vao haingana tamin’ny fampifanatonana ny tanora, dia ny fananganana tetezana eo amin’ny literatiora sy ny zavakanto hafa.
Nadika any amin'ny firenena maro i Paulina Chiziane, ary iray amin'ireo feo malaza indrindra amin'ny tantara foronina afrikanina eo amin'ny sehatra iraisampirenena izy ankehitriny, efa nahazo mari-pankasitrahana sy loka maro.
Ny fankatoavana
Avy amin'ny lafivalon'izao rehetra izao ny fiarahabana, indrindra avy amin'ireo olom-pirenena Mozambikana. Na ny filohan'i Mozambika, Filipe Nyusi aza namoaka fanamarihana fankasitrahana.
Hoje é dia de festa para a Literatura Moçambicana. A nossa compatriota Paulina Chiziane venceu o prestigiado Prémio Camões 2021. É um merecido reconhecimento à obra desta escritora que com grande mestria tem sabido retratar o país.
Que este prémio atribuído por unanimidade pelo júri nos inspire a todos nós em tudo o que fazemos a dar o nosso melhor, sobretudo as novas gerações de autores.
Parabéns, Paulina Chiziane!
Andro fankalazana ny haisoratra Mozambikana androany. Nahazo ny loka lehibe Camões 2021 ny mpiray tanindrazana amintsika Paulina Chiziane.
Arahabaina, Paulina Chiziane!
Olom-pirenena hafa nandefa fiarahabana mitovy amin'izany, toy ny avy amin'ilay mpanao gazety Rafael Machalela:
PAULINA CHIZIANE VENCE PRÉMIO CAMÕES Muitos parabéns Paulina Chiziane, um reconhecimento mais do que merecido. Estou feliz e orgulhosos de ti! ✌???
— RAFAEL MACHALELA ?? (@rafaelmachalela) October 21, 2021
PAULINA CHIZIANE NO NAHAZO NY LOKA CAMÕES Fiarahabana indrindra ho an'i Paulina Chiziane, fankasitrahana manana amby ampy. Faly sy mirehareha aminao aho! ✌?
“A minha tristeza é ser reconhecida fora e no meu país ser desprezada”, afirmou Paulina Chiziane após o anúncio do reconhecimento #Camões https://t.co/LCWcKe6tbw pic.twitter.com/DmOsiBELme
— Verdade Democracia (@DemocraciaMZ) October 21, 2021
“Ny alaheloko dia ny hoe ankatoavina any ivelany aho ary tsinontsinona eto amin'ny fireneko”, hoy i Paulina Chiziane taorian'ny fanambarana fankasitrahana #Camões
Etsy ankilany, niaiky izy fa tsy azony an-tsaina fa indray andro any dia hahazo ity loka ity izy:
Este prémio #Camões para #PaulinaChiziane “representa uma força de afirmação que eu não sabia que podia acontecer através de mim”, disse a escritora moçambicana pic.twitter.com/g1lZCHcWu1
— VOAPortuguês (@VOAPortugues) October 20, 2021
Ny fiainana sy ny asan'i Paulina Chiziane
Teraka tao Manjacaze, Mozambika i Paulina Chiziane, 66 taona ary nianatra momba ny Fiteny tany Maputo. Mpitantara nandritra ny androm-piainany, namoaka tantara fohy maromaro izy.
Tamin'ny fahatanorany, dia navitrika tao amin'ny antoko politika Frelimo — Frente de Libertação de Moçambique izy, saingy niala ny tenany nony farany noho ny tsy fitovian-kevitra momba ny fitarihan'ny antoko sy ny politikany tamin'ny vanim-potoanana taorian'ny fahaleovantena. Rehefa afaka izany, dia nitsahatra tsy ho mpikambana mavitriky ny antoko izy ary nanomboka nanoka-tena ho an'ny literatiora.
Namoaka tantara tsy tapaka hatramin'ny taona vitsivitsy lasa izay — nanambara ny fisotroan-drononony tamin'ny taona 2016 izy — Notoloran'ny Fanjakana Paortiogey ny mari-pankasitrahana Grand Officer of the Order Infante D. Henrique i Paulina Chiziane tamin'ny taona 2014. |
https://mg.globalvoices.org/2021/11/30/155137/ | Patrice Motsepe, mpanapitrisa sady mpirotsaka notohanan'ny FIFA, no lasa filohan'ny baolina kitra afrikàna | 2021-11-30T13:16:41 | Unknown | (Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2021)
Patrice T. Motsepe, nandritra ny fihaonambe ara-toekarena erantany tao Davos, tamin'ny 2009. Sary: swiss-image.ch/ Monika Flueckiger ( CC BY-NC-SA 2.0)
[ Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mitondra mankany amina lahatsoratra anglisy daholo ny rohy ato ] .
Ny 12 Martsa lasa teo no tokony natao ny fifidianana teo anivon'ny Kaonfederasiôna afrikàna misahana ny baolina kitra (CAF), rantsana ambony indrindra mitantana ny baolina kitra aty Afrika. Saingy, mba hahazoana antoka ny handresean'ilay Afrikàna Tatsimo voalohany nirotsaka ho amin'io toerana ambony io, tsy mbola vita akory ny fihodinana voalohany dia efa nitsahatra ny zavatra rehetra [fr], taorian'ny nisintahan'ireo hafa nirotsaka hofidiana.
Ny mpandresy, Patrice Tlhopan Motsepe, dia Afrikàna Tatsimo mpanapitrisa, 58 taona, tompona indostria fitrandrahana harena ankibon'ny tany ary filohan'ny Mamelodi Sundowns Football Club hatramin'ny 2003. Izy no iray amin'ireo olona manankarena indrindra ao Afrika ary zaodahin'ny filohan'i Afrika Atsimo, Cyril Ramaphosa.
Efatra ireo mpifaninana hisolo ny filoha teo aloha, Ahmad Ahmad, avy any Madagasikara, izay mbola nirotsaka hofidiana ihany koa mandrapahatongan'ny fampiatoana ny firotsahany noho ny fiampangàna azy any Frantsa ho nanao kolikoly . Augustin Senghor, avy any Senegaly, Ahmed Yahya, avy any Maoritania ary ilay Ivoariàna Jacques Anouma no nilahatra tamin'i Patrice Motsepe hiezaka haka ilay anaram-boninahitra ambony indrindra ao amin'ny CAF.
Ny CAF no misolo tena ireo fikambanana sy federasiônam-pirenena marobe misahana ny baolina kitra mifaninana ao amin'ny tanibe, nasiônaly na eo an-toerana. Ny federasiôna, izay ao Kairo, Ejipta no foiben-toerany amin'izao fotoana izao, dia misy mpikambana tsy latsaky ny 56 izay manome azy ny sata maha-federasiôna lehibe indrindra ao anatin'ny FIFA .
Taloha kelin'ny fifidianana, tamim-pientanentanana no nanambaràn'ny Federasiôna misahana ny baolina kitra ao Afrika Atsimo, tamin'ny alàlan'ny kaonty Twitter-ny, momba ny vintana ananan'ny olony:
Patrice Motsepe will become the president of the Confederation of African Football (Caf) later this week after Ahmad's five-year ban was reduced to two years by the Court of Arbitration for Sport (Cas) on Monday. pic.twitter.com/WvPaKn0qEa
— SAFA.net (@SAFA_net) March 8, 2021
Ho lany ho filohan'ny CAF i Patrice Motsepe amin'ity herinandro ity, taorian'ny fampitsaharana mandritra ny dimy taona an'i Ahmad, izay nahenan'ny Tribonaly mpanelanelana ara-panatanjahantena ho roa taona tamin'ny Alatsinainy teo.
Patrice Motsepe no tsy dia nisy mpahafantatra indrindra tamin'ireo efatra nirotsaka hofidiana. Kanefa, marobe ireo mpitazana mahita azy ho toy ny mpirotsaka ankafizin'ny FIFA.
Tany ampiandohany Martsa, nanokanan'ny Soccerladuma , gazetiboky be mpihaino indrindra sy mpiresaka ny baolina kitra ao Afrika, lahatsoratra iray ny momba ny fanohanana lazaina fa azon'i Patrice Motsepe avy amin'ireo mpitantana ambony ao amin'ny FIFA :
Reports in Kenya suggest that Patrice Motsepe has taken a step closer in his efforts to become CAF President with some help of FIFA President Gianni Infantino. The Mamelodi Sundowns owner is in the running for the highest seat on the continent against the likes of Ivory Coast’s Jacques Anouma‚ Senegal’s Augustin Senghor and Mauritania’s Ahmed Yahya. Now, according to Kenyan journalist Francis Gaitho of Kenya Football, Motsepe’s bid was boosted after FIFA President Infantino brokered an agreement which will see Senghor and Yahya step down their respective bids in support of Patrice Motsepe, with both candidates being offered vice president roles.
Misy tatitra avy any Kenià toa mahatonga hieritreritra fa efa tsy lavitra intsony ny toerana maha-filohan'ny CAF azy i Patrice Motsepe, miaraka amin'ny fanampian'ny filohan'ny FIFA, Gianni Infantino. Mifaninana hahazo ny iray amin'ireo toerana be mpitsiriritra indrindra eto amin'ny tanibe ny tompon'ny klioba Mamelodi Sundowns, mifaninana amin'i Jacques Anouma avy any Côte d’Ivoire, Augustin Senghor avy any Senegaly sy Ahmed Yahya avy any Mauritanie. Ho an'i Fancis Gaitho, Keniàna mpanao gazety manampahaizana manokana momba ny baolina kitra, nahazo tosika ny firotsahan'i Motsepe taorian'ny fifanarahana nifanaovan'i Gianni Infantino, filohan'ny FIFA, sy MM. Senghor ary Yahya, izay nampanantenaina ny toeran'ny filoha lefitra ho tambin'ny fisintahan'izy ireo mba hanomezana tombony an'i Patrice Motsepe.
Augustin Senghor, filohan'ny federasiônan'ny baolika kitra ao Senegaly no voalohany nisintona ny firotsahany tamin'ny 5 Martsa, narahan'i Jacques Anouma sy Ahmed Yahia ny ampitson'io.
Tao amin'ny tranonkala InsidetheGames.biz, nisy tsilian-tsofina avy amin'ny FIFA toy ny nilaza hoe zavatra nokendrena tamin'ilay fifanarahana ny hiantohana ny fisian'ny fampiatiana bebe kokoa sy tsy dia hisian'ny fisarantsarahana be loatra eo amin'ireo mpitantana fototra ny baolina kitra afrikàna. Nanambara i Patrice Motspe hoe:
African football needs collective wisdom, but also the exceptional talent and wisdom of every President of every country and every member association.
Mila fahendrena itambarana ny baolana kitra afrikàna, fa koa mila talenta miavaka sy fahendren'ny filoha tsirairay isaky ny firenena sy ireo mpikambana ao anatin'ny fikambanana.
Tanisain'ny tranonkala InsidetheGames.biz ihany koa ireo tatitra milaza fa tany alavitry ny mason'ny rehetra tany no nanaovan'ny FIFA ilay fifanarahana tamin'ireo mpirotsaka hofidiana mba hiantohana ny handresean'ilay olona ankafizin-dry zareo. Araka izany dia nampanantena toerana roa ny FIFA, filoha lefitra sy iray hafa ho an'ny mpanolotsaina manokana , ho tambin'ny fisintahan-dry zareo tsy hofidiana. Toa hoe nanaiky ny ho filoha lefitra i Augustin Senghor sy Ahmed Yahya, ary ao anatin'io fandaminana vaovao io, i Jacques Anouma no ho mpanolotsaina an'i Patrice Motsepe.
Reports have claimed Senegal’s Augustin Senghor and Mauritania’s Ahmed Yahya have agreed to end their campaigns to become CAF President. The duo will reportedly now back Motsepe, which will lead to the pair being named CAF vice-presidents.
Misy ny siosion-dresaka mandeha fa toa hoe nanaiky ny hampitsahatra ny fampielezankeviny ho filohan'ny CAF ilay Senegaly Augustin Senghor sy ilay Maoritaniàna Ahmed Yahya. Araka ny vaovao sasantsasany, dia hanohana an'i Patrice Motsepe ireto olona roa ireto manomboka izao, izay hitarika kosa azy ireo amin'ny maha-filoha lefitry ny CAF azy roa.
Tohizan'ilay tranonkala :
The reported agreement comes days after FIFA President Gianni Infantino returned home following a tour of Africa.
Andro vitsivitsy taorian'ny niverenan'i Gianni Infantino, filohan'ny FIFA, rehefa avy nanao fitsidihana tany Afrika, no vita ilay voalaza fa fifanarahana.
Hanorina ny baolina kitra afrikàna
Ankizy milalao baolina fandàka eo amin'ny torapasika iray. Sary an'i Sisi tao amin'ny Pixabay
Nandritra ny fanolorany ny fandaharam-potoanany ho an'ny fifidianana, nomeny lohateny hoe « Hanorina ny baolina kitra afrikàna ka hanao azy ho ny tsara indrindra », nomen'i Patrice Motsepe ny fandaharanasany ary nambarany fa hataony ho laharam-pahamehany ireto zavatra manaraka ireto :
good governance, global best practices, investment in African football infrastructure, increasing prize money and statutory reforms…
fitantanana tsara, ny fomba fanao tsara indrindra manerana izao tontolo izao, fampiasambola ho an'ny fotodrafitrasan'ny baolina kitra afrikàna, fampitomboana ny valisoa, ary hatramin'ireo fiovàna sata…
Nisisihany ihany koa, nandritra ny kabariny naharitra ora telo ho fanombohana ny fandaharanasany, ny lanjan'ny firotsahana an-tsehatry ny tsy miankina, indrindra fa ny famoronana fiaraha-mitantsoroka, ankoatra ireo mpiara-mitantsoroka goavana hafa, sy ny “sponsorings”.
Nataon'i Patrice Motsepe izay niantsoana ireo namany sy mpifaninana taminy mba hivoizana sary vaovao manerana ny tanibe afrikàna.
Ny fahalaniany no hanome an'i Afrika Atsimo ny toerany voalohany ho amin'ny toerana ahafahana manoso-kevitra eo anivon'ny tanibe. Patrice Motsepe ihany koa no voalohany avy amin'ny tany mampiasa ny teny anglisy lasa filohan'ny CAF, firenena iray izay ny anglisy dia iray amin'ireo fiteny ôfisialy , tsy toy ireo filoha nitantana fahiny izay avy amina firenena mampiasa ny teny frantsay avokoa .
“I want to make my modest contribution in all circumstances to use sport to unite Africans,” Motsepe said at a press conference
Nandritra ny antsafa iray ho an'ny mpanao gazety dia nanambara i Patrice Motsepe hoe : « Te-hitondra ny anjara birikiko aho, amin'ny lafiny rehetra, mba hampiasàna ny fanatanjahantena ho fampiraisana ny Afrikàna. »
Niger, Sierra Leone ary Botswana dia samy nanome ny fanohanany azy daholo. Danny Jordaan, filohan'ny federasiôna ao Afrika Atsimo dia nidera an'i Patrice Motsepe, tamin'ny fitanisàna ny « fahaizany mifehy fandraharahàna » sy ny « fahalalàny amin'ny resaka fitantànana ary ny fandraharahàna amin'ny ankapobeny».
Nanome toky i Patrice Motsepe fa:
“We will succeed and we will make African soccer competitive at the international level.”
Hihoarantsika ireo fanamby ary ho vitantsika ny hametraka ny baolina kitra afrikàna ho amin'ny lenta iraisampirenena.
Zavatra tsy maintsy ho atrehan'ny mpitantana vaovao ny CAF ny fitantanana ireo fifanintsanana hoavy, isan'ireny ny fifanintsanana hiady izay ho tompondakan'i Afrika (CAN) hanomboka ny volana Martsa, ary indrindra fa miomana ho amin'ny fifanintsanana fototra manomboka amin'ny Janoary 2022 ireo ekipa.
Tsy maintsy atrehan'ny federasiôna ihany koa ny fanambin'ny « fidirana ho matianina » eo amin'ny tanibe ; io dia noho ny ahiahy fisiana kolikoly nivoitra tato anatin'ny taona roa farany, ary nahavoarohirohy maro tamin'ireo mpitantana lalao. Nomarihan'ny filoha vaovao ihany koa fa mihevitra izy ny hametraka ny rafitra VAR [ Video Assistant Referees – (angl.) ] « ho an'ireo fifanintsanana lehibe rehetra karakarain'ny CAF ». |
https://mg.globalvoices.org/2021/10/23/154520/ | Tsikaritr'i Etiopia fa ambany kalitao ny tetikasa sy ny vokatra Shinoa | 2021-10-23T06:19:25 | Unknown | Nahazo Lisansa “Filentehan'ny masoandro ao amin'ny tanàna misandratra: Addis Ababa” avy amin'i jeanotr, natontan'i Giovana Fleck / Global Voices CC BY 2.0
Nandray anjara tamin'ity lahatsoratra ity i Mahlet Fantahun.
Iray amin'ireo singa manaitra indrindra amin'ny lahateny momba an'i Shina any Etiopia ny fomba nanasongadinan'ny fitantarana ofisialin'ny governemanta ny haben'ny tetikasa mahavariana Shinoa, na ny fananganana fotodrafitrasa lehibe amin'ny làlambe sy ny lalamby na ny fanafarana entana ilaina toy ny vaksiny, finday ary akanjo, na dia matetika manasongadina ny kalitao ambany amin'ireo tetikasa sy vokatra ireo aza ny fitantarana malaza.
Matetika milaza ny governemanta Etiopiana fa manamora ny fampandrosoana ny firenena ny firotsahan'ny Shina ara-toekarena ao Etiopia. Raha ny marina, tamin'ny taona 2019, nijanona ho loharanom-bola vahiny lehibe indrindra any Etiopia i Shina. Saika mandrafitra ny antsasaky ny trosa ivelany an'i Etiopia ihany koa ny governemanta Shinoa, izay tombanana ho 13,7 miliara dolara Amerikana. Miompana amin'ireo tetikasa fotodrafitrasa lehibe ny ankamaroan'ity trosa ity izay mariky ny fivoaran'i Etiopia ihany koa, toy ny lalamby Addis-Djibouti. Nitombo be ihany koa tao anatin'ny roapolo taona lasa ny varotra Shinoa-Etiopia, ahitana ny fanondranan'i Shinoa mankany Etiopia tombanana ho 2,37 miliara dolara Amerikana tamin'ny taona 2019.
Misalasala ny hevi-bahoaka Etiopianina
Mifanohitra amin'ny fankasitrahana ofisialy, matetika manakiana ny kalitaon'ireo tetikasa ireo sy ny vokatra shinoa amidy any Etiopia ny vahoaka Etiopiana.
Nahasarika fandinihana lehibe ihany koa ny tetikasan'ny fotodrafitrasa Shinoa nosoniavina, toy ny Light Rail , rafitra metro anaty tany natomboka tany Addis Ababa tamin'ny taona 2015. Nilaza ny media BBN, haino aman-jery an-tserasera fa nafainganina ny fananganana ny Light Rail noho ny fifidianana nasionaly tamin'ny taona 2015, ary niharatsy ny kalitaon'ny tolotra nandritra ny taona maro, tao anatin'ny tantara, mitaraina ireo mpandeha fa simba matetika ireo lamasinina, sy noho ny fitsabahan'ny tolotra mahazatra amin'ny lozam-piarakodia sy ny fahatapahan'ny herinaratra . Na dia ny Etiopiana aza no manome ny tena tolotra, mifamatotra amin'i Shina sy ny fampindramam-bola Shinoa ity fikambanam-bahoaka (orinasa) mifandraika amin'ny tetikasa ity.
Tao amin'ny tantara iray miavaka momba ny Light Rail navoakan'ny BBC Amharic ary niadian-kevitra be anjotra, mitaraina ny mpandeha noho ny fahatarana hatramin'ny 45 minitra sy ny fijanonana tampoka mandritra ny dian'izy ireo noho ny fahasimbana. Manasongadina ireo olana amin'ny fikojakojana ireo lamasinina Light Rail ny tantara. Raha ny filazan'ilay Etiopiana mpamily ny fiaran-dalamby, ny antsasaky ny lamasinina tany am-boalohany ihany no miasa ankehitriny noho ireo kojakoja sarotra hita avy any Shina. Ao amin'ny tantara, nilaza ny talen'ny seraseran'ny Etiopiana Railway Corporation fa fiarandalamby 20–28 no vonona hiasa isan'andro fa tsy ny lamasinina rehetra akory no afaka miasa tanteraka. Miaiky ihany koa izy fa tsy tao anatin'ny fifanarahana tany am-boalohany nosoniavina tamin'ny mpiara miasa Shinoa ny fanomezana kojakoja fanampiny .
Nisedra fandinihana lalina avy amin'ny fampitam-baovao sy ny daholobe ihany koa ny Lalam-by Addis-Djibouti malaza izay mampifandray an'i Etiopia tsy misy ranomasina mankany Djibouti . Mampiseho tafatafa niarahana tamin'i Awel Wegris, lefitry ny minisitry ny fitaterana Etiopia ohatra ny tatitry ny Fana Broadcasting Corporation, sampam-pahitalavitra mifandray amin'ny governemanta, izay nilaza fa nijanona tsy niasa in-163 ny lamasinina tao anatin'ny telo taona. Nilaza koa izy fa olona 27 sy biby 875 no naratra vokatr'ireo fiaran-dalamby ireo. Nanamarika ihany koa ny tatitra fa nanana fatiantoka 114 tapitrisa birr mahery tamin'ny fandaniana amin'ny fikojakojana sy ny onitra ny tetikasa lalamby.
Midera am-piesoesoana ny finday Shinoa ny fanehoan-kevitra iray hafa nosoratan'i Fraol Habesha; mizara sarina finday mampiseho haavon'ny bateria 102 isan-jato izy. Raha zavatra tsara ny haavon'ny bateria avo indrindra, mampiseho endrika diso ataon'ny orinasam-pamokatra finday Shinoa ny sary tsy tena izy.
Ahiahy fifehezana pan-Afrikanina momba ny kalitao
Tsy an'i Etiopia irery ny olana momba ny kalitaon'ny vokatra sy ny fotodrafitrasa Shinoa.
Milaza ny fitsapan-kevitra ho an'ny besinimaro momba ny fahitan'ny Afrikana an'i Shina fa manerana ny kaontinanta, ampifandraisin'ny olom-pirenena amin'ny vokatra ambany kalitao ny vokatra Shinoa. Milaza ireo fanadihadiana ireo fa ny kalitaon'ny vokatra shinoa no anton-javatra lehibe izay manimba ny lazan'i Shina any Afrika. Mihevitra ny Afrikanina maro fa aondrana any amin'ny tsena mandroso ny entana tsara kalitao, fa natao ho “toerana fanariana fako” ho an'ny entana Shinoa mora vidy sy ny fotodrafitrasa ambany kalitao kosa i Afrika. Nandà hatrany ny fiampangana azy ho manome tolotra sy vokatra ambany ho an’ Afrika ny governemanta shinoa, manasongadina ny anjara toeran'ny vidiny amin'ny famaritana ny kalitaon'ny entana. Milaza kosa na izany aza ny fandalinana ny adihevitra tao amin'ny haino aman-jery sosialy ao Etiopia fa tsy resy lahatra ny olom-pirenena Afrikana. Manomboka amin'ny tetikasa lehibe ka hatramin'ny entambarotra tsirairay, tsy raisina am-pankasitrahana ny tolotra shinoa fa amin'ny fanakianana, fisalasalana ary vazivazy kosa.
Ao anatin'ny fanadihadiana nataon'ny Civic Media Observatory momba ny fitantarana mifaninana mikasika ny Belt and Road Initiative ity tantara ity ary mitrandraka ny fomba fiheverana samihafa eo amin'ny fiarahamonina sy ny vondrom-piarahamonina mikasika ny fahitana ny mety ho tombontsoa sy ny voka-dratsin'ny fampandrosoana tarihin'ny Shinoa. Raha te hahalala bebe kokoa momba ity tetikasa ity sy ny fomba fiasany, dia tsindrio eto. |
https://mg.globalvoices.org/2021/10/21/154609/ | Mandrakitra tantaram-pampandrosoana lovainjafy any Afrika ny fetiben'ny sarimihetsika | 2021-10-21T05:15:37 | Unknown | Afisin'ny Fetibe Iraisam-pirenena ho an'ny Sarimihetsika karakarain'ny FTMF. Sary nomen'i Taye Balogun ary nahazoana alàlana.
Hasongadina sy halefa amin'ny efijery mandritra ny Fetibe Iraisam-pirenena ho an'ny Sarimihetsika virtoaly voalohany (NGOIFF) izay tontosain'ny FTMF manomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 Oktobra 2021 ny sarimihetsika mampiseho ny fandaharan'asa manerantany momba ny fampandrosoana lovainjafy (SDA).
Ny NGOIFF, voalohany amin'ny karazany izay mikendry ny mpijery Afrikana, dia mikasa ny hamorona sehatra ho an'ireo mpitantara, mpamokatra sarimihetsika, manam-pahaizana momba ny fampandrosoana ary ireo mpandray anjara hafa hianarana sy hizarana haizatra momba ny fanaovana fanadihadiana sy ny fitantarana tantara momba ny fampandrosoana lovainjafy.
Ankoatra ny fandefasana ny horonantsary amin'ny efijery, hisy ihany koa ny atrikasa izay manamora ny fifampiresahana sy ny hetsika eo amin'ny fifangaroan'ireo famoronana, mpamorona, mpikatroka ary mpanentana samihafa izay miasa amin'ny Tanjon'ny Fampandrosoana Lovainjafy any amin'ny fetibe. Manao fanentanana mba hampitomboana ny fifantohana sy ny hetsika manoloana ny fahantrana, ny fampandrosoana ny vehivavy sy ny zatovovavy ary ny hamehana mikasika ny toetr'andro ny SDG, tohanan'ny Firenena Mikambana. Hanampy amin'ny fampitana fahalalana sy fahaiza-manao eo amin'ireo mpikatroka mpandray anjara ity famindram-bovomboñin-kevitra amin'ny fetiben'ny sarimihetsika virtoaly ity. Hizara ireo sarimihetsika ireo ho an'ny oniversite miisa dimy izay hampiasa azy ireo ho fitaovana fampianarana ny fetiben'ny sarimihetsika.
Nanamafy i Taye Balogun, talen'ny fetibe ONGIFF, teratany Nizeriana, mipetraka any Nairobi fa “manana ny hery hamahana ireo hevi-dehibe saro-takarina mba ahafahan'ny olona mahazo izany amin'ny fomba mora ny horonantsary.”
Nanambara i Balogun, izay nitafa tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny Zoom, fa “mazàna tsy aseho amin'ny fetiben'ny horonantsary mahazatra” ireo sarimihetsika marobe ataon'ny FTMF fampandrosoana, izay novokarina isa-taona, ka izany no ilana an'ity fetibe ity.
“Nandritra ny taona maro no nanaovan'ireo FTMF fandraketana ny tantarany sy ny zavatra hitany kanefa tsy nozaraina firy mba hianaran'ny olona hafa ny ankamaroan'ireny sarimihetsika ireny,” hoy izy. “Noforonina ny fetiben'ny sarimihetsika mba hampisehoana ireo sarimihetsika ireo sy ahafahana mifanakalo hevitra.”
Amin'ny mpijery voafetra toy izany, mahalana vao mahatratra mpijery marobe ny fahalalana avy amin'ny sarimihetsika tontosain'ny FTMF ary tsy miparitaka ny lesona nanaovana fanadihadiana, hoy i Balogun.
“Ahoana no fomba ianarantsika avy amin'ireo teknika voasedra sy azo itokisana nampiasain'ireo tantsaha any Malawi hiadiana amin'ny fiovan'ny toetr'andro?” hoy i Balogun nanontany. Ohatra iray fotsiny amin'ny fampahalalana mahasoa izay hita amin'ny sasany amin'ireo sarimihetsika izany. Saingy noho ny maha-voafetra ny mpijery an'ireto sarimihetsika ireto dia tsy zaraina betsaka na hamaroina ny fahalalana azo avy amin'ireto sarimihetsika tontosain'ny FTMF ireto. Izany no hantsana lehibe kasain'ny fetibe haravona.
Nahasarika sarimihetsika miisa 90 avy amin'ny fikambanana miisa 150 any amin'ny kaontinanta 4 ny fetiben'ny sarimihetsika. Sarimihetsika miisa 40 ihany no voafidy tao anaty lisitra, ary halefa amin'ny efijery mandritra ny fetibe ny 20 amin'izy ireo. Ny mpitsara no nanao ny fifantenana izay nahitana mpitsara miisa valo manam-pahaizana malaza manerantany amin'ny tanjon'ny fampandrosoana lovainjafy, ao anatin'izany ny mpikatroka mafana fo miady amin'ny kolikoly avy any Nizeria, Hamzat Lawal, ilay mpamokatra sarimihetsika Keniana Sarika Lakhani, ary ny tale jeneralin'ny orinasa sosialy EdTech any Myanmar Hla Hla Win. |
https://mg.globalvoices.org/2021/10/12/154369/ | Nahoana i Twitter nanohana ny #EndSARS ao Nigeria fa tsy nanohana ny #FixTheCountry ao Ghana? | 2021-10-12T04:10:54 | Unknown | Accra Central, Accra, Ghana. Sarin'i Muntaka Chasant ary navoaka ho an'ny Wikimedia commons , 14 Janoary 2019, ( CC BY-SA 4.0 ).
Tao Nigeria , rehefa tsy nanaiky ny fangatahan'ny governemanta ny orinasa media sosialy, niditra hanao ny maodelim-pitondrana tsirefesimandidy ny governemanta hamerana ny firotsahana mahaolompirenena sy demaokratika amin'ny politikam-bahoaka (fomba fandaminana ny raharaham-bahoaka) .
Rehefa tafiditra ny maodelim-pifehezana tsirefesimandidy, dia misy ireo orinasa media sosialy no miankohoka na mifahatra . Nisafidy ny hiankohoka i Twitter — rehefa miatrika ny famoretan'ny governemanta amin'ny fanehoan-kevitra anjotra tao Ghana sy Nigeria — amin'ny tranga iray fa nisafidy ny hifahatra amin'ny tranga iray hafa. Mbola afa-miaro ny zo ankihy sy ny fahalalahana miteny eto Afrika ve i Twitter?
Nitongilana i Twitter amin'ny politikan'i Nigeria
Nahatonga tsy fitiavan'ny governemantan'ny Filoha Buhari ilay orinasa media sosialy ny fanapahan-kevitr'i Jack Dorsey naka fironana tamin'ny politikan'i Nigeria. Nandritra ny hetsi-panoherana #EndSARS tao Nigeria, nisioka i Dorsey ho fanohanana ilay hetsi-panoherana ary niantso ny vahoaka hanao rakitra ho fampitsaharana ny herisetran'ny polisy amin'ny Nizeriana. Nomen'ny Twitter tanjaka bebe kokoa ny farangoteny #EndSARS , ka nahatratra mpisera an-tapitrisany.
Tao Ghana, nisy hetsika tsy mitongilana amin'antoko mitovitovy amin'izany ihany koa nampiasa ny farangoteny #FixTheCountry . Nasongadin'ny hetsika ireo fanamby atrehan'ny tanora Ghaneana, ao anatin'izany ny haavon'ny tsy fananana asa, ny firongatry ny kolikoly, ary ny herisetran'ny miaramila amin'ny mpikatroka sy mpanao fihetsiketsehana.
Tamin'ny 3 mey 2021, tanora iray mahasarika ao amin'ny media sosialy, Joshua Boye-Doe, nisioka ny loniloniny, nampiasa ny farangoteny #FixTheCountry , miresaka ireo tanora manana diplaoma tsy mahazo asa rehefa nahavita fianarana taona maro tany an-tsekoly.
After NSS plenty people I know dey house cos dem no get jobs. Why should it be so. Are you educating people to go and sit home?? #FixTheCountry
— KALYJAY (@gyaigyimii) May 3, 2021
Rehefa [nahafeno ny] NSS [ National Service Scheme ], maro ny olona fantatro, mbola ao an-trano satria tsy mety mahazo asa…
Nanana ny akony tamin'ireo tanora Ghaneana tao amin'ny Twitter ny siokany ary niafara tamin'ny ezaka voarindra hanao fihetsiketseham-panoherana tao an-drenivohitra Accra. Nosakanan'ny Ghana Police izany ezaka izany sy didy avy ao amin'ny Fitsarana Tampony ao Ghana.
Nisioka ho an'i Dorsey ny tanora Ghaneana, mitaky ny fanohanany ny hetsika #FixTheCountry protest tahaka ny nanohanany ny #EndSARS, saingy samy tsy nisy namaly na ny Twitter na i Dorsey. Ny hita aza dia niantona ny kaonty Twitter an'ilay nanomboka ny farangoteny fa ny farangoteny notohanan'ny governemanta #FixYourself no nalaza tao amin'ny sehatra.
Nahoana ny Twitter navitrika ara-politika amin'ny #EndSARS ao Nigeria fa tsy amin'ny #FixTheCountry ao Ghana
Polisy manakona ny hetsika #OccupyFlagStaffHouse #OccupyGhana taona 2014. Sary avy amin'i Dieu-Donné Gameli, navoaka ho an'ny Wikimedia Commons , 1 Jolay 2014 ( CC BY-SA 3.0 ).
Mihoatra ny 200 tapitrisa ny isan'ny mponina ao Nigeria, raha latsaky ny 40 tapitrisa kosa ny mponina ao Ghana. Bitika ny fandraisan'i Ghana anjara amin'ny fampivelarana ny isan'ny mpisera Twitter manerantany. Nigeria, anefa etsy andanin'izany no manana ny isan'ny mpisera Twitter betsaka indrindra eto Afrika, ary manodidina ny telo tapitrisa no mavitrika isam-bolana. Raha mitolona mafy i Twitter manangana fifandraisana tsara amin'ny governemanta nizeriana ahafahana miditra amin'ny tsena lehibe indrindra eto Afrika, ny mahasolo izany dia ny mamela ny olompirenena [mpisera] ho latsa-pitia amin'i Twitter.
Ny fanapahan-kevitry ny Twitter, araka ny navoaka ao amin'ny blogpost -n'ny orinasa hanangana birao tao Ghana dia mifototra amin'ny toeran'ny firenena ho “tompondakan'ny demaokrasia, mpanohana ny fahalalaham-pitenenana, fahafahana anjotra, ary ny aterineto misokatra.” Nisara-kevitra tamin'ny Twitter, tsy tahaka ny nifanarahany tamin'ny Facebook i Nigeria, izay manana tsena goavana noho i Ghana, fa tsy azoazon'ny governemanta Buhari loatra, izay nanakana ilay sehatra tamin'ny jona.
Tsy hita taratra amin'ny resaka zon'olombelona anefa i Ghana, ka tsy afa-manazava feno ny antony nifidianan'ny Twitter io firenena io hametrahana birao manoloana an'i Nigeria. Ao Ghana, anaovana fikasihan-tanana na vonoina ho faty noho ny fanoherana na noho ny fitenenana mamely ny governemanta ny mpanao gazety sy ny mpikatroka izay tsy inona fa fanitsakitsahana ny fahalalaham-pitenenany. Lavin'ny filohan'i Ghana, Nana Addo Dankwa Akufo-Addo, sy ny mpanao lalàna ampahibemaso ny hanaja ny zon'olombelona avy amin'ny vondrona vitsy an'isa, ao anatin'izany ny fiarovana ny zon'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ ao Ghana. Ny Parlemantan'i Ghana, tarihan'ny Mpitondratenin'ny Parlemanta, amin'izao fotoana izao dia eo am-pananganana lalàna manameloka bevava ny ataon'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ.
Na dia tsy mazava aza ny antony, ny hetsika ataon'ny Twitter dia ahafahana mihevitra fa tsy te-hiditra ao anatin'ny raharaha politika ao Ghana tahaka izay ataony ao Nigeria izy, eny fa na dia midika ho tsy fiarovana ny zo ankihin'olompirenena aza izany. Manampy izany, ny fitoerana ao Ghana dia miaro ny Twitter tsy ho tratran'ny politika an-tondromolotry ny governemanta Nizeriana , miaraka amin'ny fahasarotana amin'ny tontolom-pihariana . Manampy izany , mbola ahafahan'ny Twitter miditra amin'ny tsena nizeriana sy ny fahaiza-manaony manokana ihany ny fananganana toeram-pihaonana afrikana ao Ghana.
Tsy maintsy miasa miaraka ny fikambanan'ny firaisamonim-pirenena hiarovana ny fahalalaham-pitenenana
Ao anaty ady ara-pitsarana ifanaovana amin'ny governemanta nizeriana ny fikambanan'ny firaisamonim-pirenena mba hanesorana ny fanapahan-kevitra hampiato ny Twitter, izay nampiasaina ho habaka fanabeazana maha-olompirenena hirotsahana amin'ny fifampiresahana . Ny fitoriana vao haingana tao amin'ny Fitsaran'ny Vondrona Ara-Toekarenan'ny Fanjakana Afrikana Andrefana (ECOWAS=CEDEAO) napetraky ny Socio-Economic Rights and Accountability Project ( SERAP _Tetikasan-tamberin'andraikitra sy ny Zo ara-Piarahamonina sy Toekarena ) no namaritra fa tsy afa-misambotra na mitsara izay olona na orinasa midify amin'ny fanakanana i Nigeria. Fanondroana ity raharaha ity fa afa-mivondrona ny fikambanan'ny firaisamonim-pirenena ary mijoro ho tsanganana iray matanjaka hihazona ny Twitter sy ny governemanta ho samy tompon'andraikitra amin'ny fanajana ny zo ankihin'ny olompirenena sy hiantoka ny aterineto misokatra ao Afrika Andrefana.
Nilaza i Twitter fa ( nanatona ) ny governemanta nizeriana “hanana fifampiresahana misokatra hamahana olana iraisana sy hijerena izay hamerenana amin'ny laoniny ny servisy.” Ny governemanta naneho ny fahavononany hifampiresaka amin'i Twitter.
Misy fifandroritam-pahaiza-mitondratena ihany ny maodelim-piharian'ny orinasa media sosialy amin'ny famelana ny Twitter ho tokana mifampiraharaha amin'ny governemanta amin'ny famerenana amin'ny laoniny ny fidirana amin'ny sehatra sy ny fahalalaham-pitenenana ao Nigeria. Raha efa mitsinjo mialoha ny orinasa media sosialy ny hanary mpisera betsaka noho ny politikam-pamerana ajadon'ny governemanta, dia ho ataon-dry zareo izay ifanarahana amin'ny governemanta izay mety hamotika ny zo ankihin'ny mpisera an-dry zareo.
Taorian'ny fihaonana nifanaovan'ny Twitter sy ny governemantan'i Nigeria handravonana ny tsi-fitovian-kevitry ry zareo, nilaza ny mpitondratenin'ny governemanta fa nifanaiky tamin'i Twitter ry zareo amin'ny lafiny sasany, ka ao anatin'izany ny fifanekena amin'ny Twitter ny hananganana birao ao Nigeria amin'ny taona 2022. Mety ho paikadin'ny governemanta io hamoretana ny zo ankihin'ny olompirenena satria ny fananana birao ao an-toerana dia mahatonga ny mpiasan'ny Twitter ho ambanin'ny lalàna ao an-toerana. Nisy fangatahana toy izany natao tamin'ny Twitter tany India mba ahafahan'ny governemanta mora mifandray amin'ny ekipa ao an-toerana azon-dry zareo hazonina ho tompon'andraikitra amin'izay zava-mitranga.
Any India , firenena iray izay kitro ifaharan'ny paikadim-pivelaran'ny Twitter manerantany , tsy afa-nifahatra manoloana ny fangatahan'ny governemanta Indiana hanaisotra kaonty (mpisera) ny orisana media sosialy. Notanterahan'ny Twitter ny fitakiana maro nataon'ny governemanta hampiato ao anaty fotoana tsy manam-pahataperana kaonty tokony ho 500 sy sioka mitsikera ny governemanta.
Saingy tsy Twitter ihany no tompon'antoka.
Efa ao amin'ny tantaran'ny Facebook mihitsy ny firaisana tsikombakomba fampanginana ireo mpikatroky ny zon'olombelona. Nobahanana sy nomarihan'ny Facebook ny votoaty #EndSARS ho “vaovao lainga.” Tsy mahagaga izany, noho ny fanamafisan'ny Facebook ny fifandraisany amin'ny governemanta Nizeriana hifehezana ny tsena Nizeriana, taorian'ny fitsidihana faharoa nataon'i Mark Zuckerberg tao Nigeria hihaona amin'ny Filoha Buhari.
Rehefa nampiditra fepetra henjana kokoa ny Governemantan'i Nigeria — andiam- pitsipika media sosialy vaovao mitaky amin'ny orinasa media sosialy hisoratra anarana ao Nigeria — dia halemy ny fiarovan'ny Twitter hisian'ny aterineto misokatra sy ny fahalalaham-pitenenana ao Nigeria.
Raha tian'ny vondrom-piraisamonim-pirenena ao Nigeria ny hahazo antoka fa tsy hanitsakitsaka ny zon'olombelon'ny Nizeriana ny fifampiraharahan'ny governemanta sy ny Twitter, dia mila miara-miasa ry zareo, ary manangana fanohanana ara-politika amin'ny fotokevitry ry zareo. Mila ihany koa ry zareo manolotra vahaolana tsara kokoa, mampiasa ny lalàna mipetraka hiarovana ny zon'ny olompirenena. |
https://mg.globalvoices.org/2021/10/06/154360/ | Ny aorian'ny #EndSARS: Ny fandraràna ny Twitter sy ny dikan'izany ho an'ny tanora Nizeriana | 2021-10-06T04:53:07 | Unknown | Mpanao fihetsiketsehana #EndSARS Lagos, Nigeria. Saripika navoaka ho an'ny Wikimedia commons avy amin'i Kaizenify , 13 Oktobra 2020 ( CC BY-SA 4.0 )
Tao ho ao izay ny tanora nizeriana nahita sy nanomboka nampiasa ny herin'ny media sosialy ahafahany manandratra ny feony hisian'ny fitantanam-panjakana tsara kokoa sy hamaranana ny tsy rariny iainan-dry zareo isan'andro.
Nanaporofo feno ny vaikan'ny media sosialy raha ampiasaina hanandratana ny feo ny hetsika nanerana ny firenena #EndSARS hanoherana ny herisetran'ny polisy, hetsika iray izay toy ny tadio tao amin'ny firenena tamin'ny volana Oktobra 2020. Hetsika iray notarihan'ny tanora ny #EndSARS , nateraky ny lahatsary iray nalaza haingana anjotra maneho tanoralahy iray nodarohan'ny polisin'ny SARS. Tamin'ny 8 oktobra no nanana ny heriny indrindra ny hetsika nanerana ny firenena, ary ireo izay tsy afa-nanatevin-daharana teny an-dalambe dia nanao ny hetsi-panoherana lehibe indrindra anjotra fantatr'io firenena io hatramin'izao.
Nandritra ny fihetsiketsehana ny Twitter no toeram-pihaonana virtoaly ho an'ny tanora. Tao no nanomanan-dry zareo ny hetsi-panoherana, nifampizarana vaovao, nanaovana fanairana sy namoahana ny fotoana tsara indrindra tamin'ny hetsika. Tao ihany koa ry zareo no nifampahery, namahana angovo ny hafa sy nanasongadina ny maha-zavadehibe ny miray hina sy marina amin'ny tanjon'ny hetsika.
Hatramin'izay fotoana izay, niharihary fa nandany hery ny governemanta nizeriana hanesorana izay voaporofo fa fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra amin'ny tanora. Samy manana ny tanjany avokoa ny sehatra media sosialy rehetra, fa ny Twitter no mitroka azy rehetra raha eo amin'ny fanampiana tanora nizeriana hahomby amin'ny fikatrohana anjotra no resahina. Ny fahafahan-dry zareo manova sy mifehy ny fitantarana amin'ny alalan'ny fampiasa tokana, misioka fotsiny, no zavatra mbola tsy hitan'ny governemanta Nizeriana mihitsy taloha.
Tsy azon'ny governemanta ahodikodina ny Twitter. Tsy voafehin-dry zareo araka ny fomba fifehezan-dry zareo ny fampitam-baovao mahazatra hatramin'izay izy io, ka miteraka olana goavana ho an'ny fanjakana izany. Tsy atao mahagaga noho izany raha nandray fepetra amin'ny heveriny ho fandrahonana goavana indrindra amin'ny fisian'i Nizeria — ny Twitter — ny governemanta.
Ny fandraràna ny Twitter , izay nihatra tamin'ny ora voalohany tamin'ny sabotsy 5 jona no ezaka farany indrindra nataon'ny governemanta hampanginana ny feo miha-miraondraona eo amin'ny tanora nizeriana. Naatony izany tsy noho ny namafan'ny sehatra ny siokan'ny Filoha Muhammadu Buhari ihany, izay nandika ny fitsipika, fa heverina ho valibontan'izay nanjaka tamin'ny oktobra 2020 sy izay rehetra nanaraka izany. Rehefa nihevitra ny minisitry ny filazam-baovao ao Nigeria, Lai Mohammed, ny fampiasana ny sehatra ho “ fandrahonana ny filaminam-pirenena , ” afaka misaina ny tsirairay fa ny hetsika #EndSARS izany karazana hetsika lazain'izany fanambaràna izany.
Tsy araka ny lalampanorenana izany fampiatoana tsy manam-pahataperana izany, ary fanitsakitsahana mivantana ny zo ankihy sy zon'olombelon'ny tanora Nizeriana. Raha tsy azon-dry zareo idirana mihitsy ny fampiasa, dia hisy fiantraikany mafy tsy ho an'ireo izay miankina amin'ilay sehatra ho loharanom-pivelomana , fa ho an'ireo izay mampiasa azy ihany koa hisoloam-bava anoherana ny tsy rariny sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Mpiserasera isan-karazany no nanandratra ny feony ho fanoherana ao amin'ny Twitter, ao amin'ny farangoteny #KeepitOn natolotry ny sehatra:
Modupe “Moe” Odele mampahatsiahy ny nahafahan-dry zareo mametraka fanampiana ara-pitsarana ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana nosamborina:
We organized legal aid for arrested peaceful protesters all over the country using Twitter. Lawyers arrived at police stations in some cases within 20 mins of arrest. This platform is essential. #KeepitOn
— moe (@Mochievous) June 7, 2021
Nanomana fanampiana ara-pitsarana ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana milamina nosamborina manerana ny firenena amin'ny fampiasana ny Twitter izahay. Tonga ao amin'ny tobin'ny polisy ao anatin'ny 20 minitra nisian'ny fisamborana ny mpisolovava. Ilaina ity sehatra ity. #KeepitOn
Ninainaina i Rene amin'ny fiantraika miiba ny fandraràna amin'ny asany sy ny fahafaha-manandra-teny:
My charity, my businesses and my success comes mostly from twitter. It’s Impacted my life In so many ways. I see how lives are changed here every day. My government hasn’t considered me or the millions of people who rely on this platform. Wicked souls #KeepitOn
— Renè The Leader ❤ (@Rene_noire) June 5, 2021
Ny fanasoavako, ny fihariako ary ny fahombiazako dia avy amin'ny twitter ny ankamaroany. Niantraika amin'ny fiainako amin'ny lafiny maro tokoa izany. Hitako ny fiovan'ny fiainana isan'andro. Tsy miraharaha ahy na ireo olona an-tapitrisany miankina amin'ity sehatra ity ny governemantako. Ratsy fanahy. #KeepitOn
Naverin'ity mpisera Twitter ihany koa ny kiakia-pahatrotrahana tahaka izany:
In Nigeria, Twitter is our 911, it's our crowd funding community, e-commerce platform, our fact checker and the main CRM tool for most companies.
It is some people's source of livelihood. If the government can't give Nigerians food, they shouldn't take our plate. #KeepitOn
— Alex Oluwatobi (@alexlobaloba) June 5, 2021
Eto Nigeria, Twiiter no 911-nay, ity no fanangonam-batsim-piarahamoninay, ny sehatra e-varotra, ny fanamarinana zavamisy ary ny fitaovana CRM voalohany ho an'ny ankamaroan'ny orinasa. Ity no loharanom-bolan'ny olona sasany. Raha tsy afa-manome sakafo ny Nizeriana ny governemanta, dia tsy tokony alain-dry zareo ny vilianay
Amin'izao fotoana izao moa ny mpiserasera mbola afa-miditra amin'ny sehatra amin'ny alalan'ny VPN saingy efa nanambara ny fikasany hiady amin'ny mbola ampiasana ny Twitter ny governemanta aorian'ny fandraràna amin'ny alalan'ny fanomezana baiko itsarana ireo mbola mampiasa ny fampiasa. Na izany aza, mifanohitra amin'ny lalampanorenana izany atsy ampy hampiala ny mpisera Twitter.
Efa volana maro izay no lasa hatramin'ny nisian'ny fandraràna, ary na dia tsy nisy fisamborana natao sy mbola afaka miditra ao amin'ny sehatra amin'ny alalan'ny VPN aza ny mpiserasera, mbola hita fa manjavozavo ny toe-draharaha satria sarotra no hilaza hoe mandra-pahoviana no haharitra ity fandraràna ity.
Na izany aza, misy ny tsirim-panantenana.
Nanomboka ny fifampiraharahana teo amin'ny Twitter sy ny governemanta Nizeriana, raha ny vaovao navoakan'i Segun Adeyemi, mpanampy manokana ny filoham-pirenena tamin'ny haino aman-jery tamin'ny 22 jona. Nanambara ny fikasany hifampiraharaha amin'ny governemanta Nizeriana ny Twitter tamin'ny 11 Jona mba hijerena raha afaka tonga amin'ny fifanarahana izay mety hitarika ny famerenana ny tolotra Twitter amin'ny laoniny any Nizeria. Notontosain'ny ekipa minisitra notarihin'i Lai Mohammed ny fifampiraharahana.
Tamin'ny tapaky ny volana septambra, nanambara ny governemanta Nizeriana fa hamerina amin'ny laoniny ny Twitter “ afaka andro vitsivitsy .” Na izany aza, tsy nisy zava-nitranga nanomboka tamin'izay, ary mbola voaràra ao amin'ny firenena be mponina indrindra ao Afrika ny Twitter.
Na eo aza izany, mitoetra ny fanontaniana raha misy ny fifanarahana mitombina azo raisina avy amin'ny governemanta vonona hampangina izay tsy mitovy hevitra aminy rehetra. |
https://mg.globalvoices.org/2021/09/18/154121/ | Voamariky ny fanovana lalampanorenana sy ny tsy fitokisana ny filazana fifidianana ao Angola | 2021-09-18T04:34:33 | Unknown | João Lourenço, filohan'i of Angola | Sary: Wikimedia Commons CC BY-SA 2.0
Miomana ho amin'ny fifidianana ny filohany manaraka i Angola amin'ny volana Aogositra 2022, tao anatin'ny resabe momba ny lalàna mifehy ny fifidianana efa an-dalana. Mikasa ny hofidiana indray amin'ny taona hoavy ny mpandresy tamin'ny taona 2017, ny filoha João Lourenço ankehitriny.
Hanamarika ny fotoanan'ny tetezamita sy ny fanamafisana ny fifidianana manaraka, satria lasa filoham-pirenena i João Lourenço taorian'ny nitondran'i José Eduardo dos Santos nandritra ny 30 taona – iray amin'ireo filoham-pirenena teo amin'ny fitondrana ela indrindra.
Fantatra tamin'ny fitantanan-draharaham-pahefana didy jadona i Dos Santos, nomarihan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fameperana ny fahalalahana miteny sy ny fahalalahana an-gazety. Betsaka no nahita ny trangan-keloka bevava tamin'ny taona 2016, izay nisamboran'ny mpitandro ny filaminana vondrona mpikatroka fo sy nitazonana azy ireo tamin'ny fiampangana nampanontany tena, ho tandindon'ny fitondrany amin'ny ankapobe. Nanjary fantatra tamin'ny anarana hoe “15+2″ ilay tranga, manondro ny nitazomana am- ponja vonjimaika ireo mpikatroka nosamborina miisa 15 tamin'ireo 17.
Niteraka adihevitra teo amin'ireo Angoley ny fifidianana 2022 hatao volana Aogositra. Ho an'ireo mpifidy, nisy ny tsy fitokisana ny fomba nitantanana ny dingana sy ny tsy fisian'ny marimaritra iraisana tamin'ny fanitsiana ny lalàmpanorenana vao haingana momba ny fifidianana hoavy.
Milaza ny fanitsiana ny lalàmpanorenana tamin'ny 2010 fa afaka mifidy ny vahiny amin'ny fifidianana manaraka, araka ny notaterin'ny Jornal de Negócios.
Ankoatra izay , nosokafan'ny làlana ny lalana mankany amin'ny fifidianana isa-toerana, nametrahana fe-potoana voafaritra amin'ny fifidianana ankapobeny, ary manolotra amin'ny Banky Nasionaly ao Angola ny fahaleovantena amin'ny fanaraha-mason'ny mpanohana antoko.
…esta revisão fica definida, entre outros mecanismos constitucionais, a fiscalização política do executivo pela Assembleia Nacional, e a universalização do direito de voto aos cidadãos angolanos residentes no exterior do país.
… Ity fanitsiana ity dia mamaritra, ankoatra ny rafitra lalàmpanorenana hafa, ny fanaraha-maso ara-politika ataon'ny Antenimieram-pirenena amin'ny fahefana mpanatanteraka, ary ny fanitarana ny zon'ny mpifidy Angoley monina ivelan'ny firenena.
Saingy tamin'ny 2 Septambra, niantso ny filoha João Lourenço handà ny fankatoavana ny lalàm-pifidianana ankapobeny ny antoko mpanohitra ary hamerina izany any amin'ny Antenimieram-pirenena. Niantso ny lalàna ho “lalànan'ny hosoka sy kolikoly amin'ny fifidianana” ny solontenan'ny vondrona parlemantera UNITA, CASA-CE, PRS, sy Bloco Democrático, ary ireo parlemantera tsy miankina koa.
Andro vitsy talohan'ny fankatoavana vao haingana dia efa nanome toky i João Lourenço fa hisy ny fifidianana, mba hialana amin'ny ahiahy fa mety ho foanana noho ny antony samihafa.
Nanambara ny antoko mpanohitra fa norahonan'ny manampahefana , toy izany koa ireo mpikatroka nitaky ny mangarahara amin'ny fifidianana, toy ny tranga notaterina tamin'ny 30 Aogositra:
Jovens manifestantes em Luanda queixam-se de terem sido impedidos pela polícia nacional de se concentrarem hoje defronte à Assembleia Nacional (parlamento), onde pretendiam “exigir justiça e transparência” na discussão das leis de alteração ao pacote eleitoral.
Nitaraina ireo tanora mpanao fihetsiketsehana ao Luanda fa nosakanan'ny polisy nasionaly tsy hivory eo anoloan'ny Antenimieram-pirenena, izay nikasan'izy ireo “hitakiana ny fahamarinana sy ny mangarahara” amin'ny adihevitra momba ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana.
Tamin'ny andron'ny fihetsiketsehana, nitaraina noho ny fihetsiky ny polisy ireo tanora mpikatroka nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny Deutsche Welle:
A polícia está mais uma vez a interditar a nossa marcha, pretendemos chegar até ao portão sul da Assembleia Nacional para podermos efetivar a realização da nossa manifestação que visa exigir aos nossos deputados que votem uma lei justa que possa garantir eleições transparente no nosso país.
Manakana ny diabenay indray ny polisy, mikasa ny hanatratra ny vavahady atsimo ao amin'ny Antenimieram-pirenena izahay mba hahafahanay manao ny fihetsiketsehana izay mikendry ny hitakiana ny depiote hifidy ny lalàna ara-drariny afaka manome antoka ny fifidianana mangarahara eto amin'ny firenentsika.
Eo amin'ny paikady, niezaka niara-niasa ny antoko mpanohitra mba hanangana mandatehezana manohitra ny fifidianana 2022, araka ny tatitra nataon'ny VOA hoe:
O maior partido da oposição, a UNITA, está neste momento a finalizar a formação de uma Frente Patriótica, com o Bloco Democrático e o projecto Pra-Já Servir Angola visando chegar às eleições de 2022 com um bloco unido face ao MPLA.
Mamarana ny fananganana ny Mandatehezana Tia Tanindrazana ny antoko mpanohitra lehibe indrindra, UNITA, miaraka amin'ny Bloco Democrático ary ny tetikasa Pra-Já Servir Angola, mikendry ny hitodika amin'ny fifidianana 2022 miaraka amin'ny vondrona tafaray hanohitra ny MPLA. |
https://mg.globalvoices.org/2021/09/09/153993/ | #KeepItOn: Ny fiantraikan'ny fandraràna ny Twitter ho an'ny tanora Nizeriana | 2021-09-09T04:45:42 | Unknown | Fanoharana iray amin'ny fandrarana ny Twitter Nizeriana. Tovovavy Nizeriana ao ambadiky ny fefy vy. Sary avy amin'i Muhammadtaha Ibrahim Ma'aji , Pexels, azo ampiasaina malalaka.
Roa volana taorian'ny nanakatonan'ny governemanta Nizeriana ny Twitter, tanora tompona orinasa maro, ireo mpampita vaovao amin'ny tambajotra sosialy, ary ireo mpikatroka mafàna fo no voadona mafy, ary niresaka tamin'izy ireo momba ny fiantraikan'ny fandrarana eo amin'ny fiainany andavanandro sy ny orinasany ny Global Voices. Nampitombo ny ahiahin'izy ireo ny tahotra ny mety ho fanitarana ny fampiatoana ny sehatry ny tambajotra sosialy hafa toa ny Instagram.
Mbola nipoaka indray ny hatairana noho ny fandraràn'ny governemanta Nizeriana ny Twitter tamin'ny 4 Jona 2021. Noraran'ny governemanta Nizeriana ny sehatry ny tambajotra sosialy taorian'ny niheverana ny Twitter fa manimba ary nofafana ny sioka nataon'ny filoha Muhammadu Buhari izay nilaza fa hampiasa herisetra amin'ny foko Igbo ny fanjakana.
Nanomboka teo dia maro no nihevitra fa valifaty ho an'ny fanohanan'ny Twitter ny hetsika notarihin'ny tanora tamin'ny Oktobra 2020 #ENDSARS manohitra ny herisetra ataon'ny polisy ny fampiatoan'ny governemanta ny sehatra famahanana bilaogy madinika.
Notoherin'ireo Nizeriana ny fandraràna tamin'ny alàlan'ny sioka niaraka tamin'ny tenirohy #KeepItOn (Aza tapahana). Ny fanentanana #KeepItOn dia fiaraha-mientan'ny fikarohana, fisoloana vava, fampitam-baovao ary fikambanana mihoatra ny 200, ao anatin'izany ny AccessNow, “ any amin'ireo firenena miisa 75 manerantany, miady amin'ny famaranana ny fanakatonana ny aterineto manerantany.” Tamin'ny 26 Mey 2020, namoaka emoji manokana ny Twitter hanohanana ny fanentanana #KeepItOn:
We hope the new #KeepItOn emoji will animate conversations about the fight against #InternetShutdowns across the world. The design by @AccessNow is universal. It represents openness and empowerment. It also reflects the fundamental importance of access.
— Twitter Public Policy (@Policy) May 26, 2020
Manantena izahay fa hamelona ny resaka momba ny ady amin'ny fanakatonana ny aterineto manerantany ny emoji #KeepItOn vaovao. Iraisan'ny rehetra ny maodely nataon'ny @AccessNow izay maneho ny fisokafana sy ny fankaherezana. Maneho taratra ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fidirana amin'ny aterineto izany.
‘Ny Instagram no mety ho manaraka’
Sokajin-tanora maro no voadona mafy tamin'ny famerana ny Twitter: ao ireo tanora mpandraharaha Nizeriana izay mivelona amin'ny sehatra amin'ny alàlan'ny fivarotana ny entany sy ny tolotra ataony; ireo izay mampiasa ny Twitter hihomehezana sy hihaonana amin'ny olona vaovao; ary ireo izay miankina amin'ny sehatra amin'ny resaka fisoloana vava.
Iray amin'ireo tompona orinasa Nizeriana toy izany ny tompona orinasa mivarotra firavaka iray monina any Lagos (tsy notononina ny anarany noho ny antony fiarovana) izay miankina amin'ilay sehatra hifaneraserana amin'ny mpanjifany. “Tena nanahy mafy aho tamin'ny andro nandrenesako ny vaovao,” hoy izy tamin'ny Global Voices.
Na dia manana kaonty Instagram ho an'ny orinasany aza ity tompona fivarotana firavaka any Lagos ity dia tamin'ny alàlan'ny kaonty Twitter-ny ny ankamaroan'ny varotra nataony. “Tena sarotra be ihany koa ny fahazoana mpanjohy ao amin'ny Instagram. Efa nanana mpanjohy miisa 400 aho ao amin'ny Twitter,” hoy ilay tovovavy 18 taona tamin'ny Global Voices.
Tsy manadino ity tompon'orinasa tanora ity fa zava-dehibe ary nanampy teo amin'ny sehatry ny varotra nataony ny fisehoana tao amin'ilay sehatra. Nanampy tamin'ny fahombiazany ho tompona orinasa manaraka ny fenitra ao amin'ny Twitter ny isa. Nolazainy ihany koa ny nahatonga ny orinasany lasa ampahany manan-danja amin'ny fiainany satria nanana zavatra atao nanokanany ny fotoanany sy nivoarany izy.
Ilay mpivarotra firavaka sy ireo Nizeriana hafa kosa dia mbola navitrika tao amin'ny Twitter na dia teo aza ny fandrarana, tamin'ny alàlan'ny fampiasana fitaovana VPN fialana amin'ny sivana. Na izany aza, tsy namaha ny olan'izy ireo ihany koa ny fampiasana ny VPN hidirana amin'ilay sehatra. Nampihena ny mpamaky sy ny tsenan'ireto tanora mpandraharaha Nizeriana ireto ny lalan'ny sioka nalefan'izy ireo nanerana ny firenena hafa.
This Twitter ban is affecting so many companies customer acquisition strategy digitally, because people’s VPN no longer get turned off for many social platforms.
Ads just dey waste, no solid returns, but some crazy people still think it’s good. Okay oh ?
— Bar Raiser (@unicodeveloper) June 29, 2021
Misy fiatraikany amin'ny paikady fahazoana mpanjifa marobe amin'ny fomba nomerika ity fandraràna ny Twitter ity, satria tsy tapahina intsony ho an'ny sehatra sosialy maro ny VPN ampiasain'ny olona.
Fandaniam-potoana fotsiny ny doka, tsy misy tombony mivaingana, anefa mbola misy ihany ny olona adala mihevitra fa mety izany. Ekena eh ?
Tsy vahiny amin'ny VPN ilay tompona fivarotana firavaka ao Lagos, niankina tamin'izany izy teo aloha mba hahazoana zavatra tsotra ho an'ny fahafinaretany toy ny fidirana amin'ny sarimihetsika amin'ny Netflix izay tsy misy any Nizeria. Nanandrana nampiasa izany izy avy eo mba hidirana tamin'ny Twitter. Nitaraina anefa izy fa mety hanahirana ny VPN satria miantraika amin'ireo fampiasa hafa toa ny Pinterest izay nanery azy hijery lahatsoratra amin'ny fiteny hafa.
Nahatsapa ny fandraràna ny Twitter ihany koa i Nwalema, tanora mpamorona lahatsoratra, mpanentana amin'ny tambajotra sosialy, ary mpilatro. Nifanakalo hevitra momba izany izy tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices. Toa voafehy mafy amin'ny “fitondrana jadona” ny firenena, hoy izy. Manahy izy sao ny “Instagram no ho manaraka” horaran'ny governemanta, na dia tsy nilaza aza ny governemanta fa handrara ilay sehatra. Manahy izy fa mety hiteraka fatiantoka ho azy sy ireo mpanentana hafa, indrindra ireo mpianatra izay mivelona amin'ilay sehatra ny fangatahana fahazoan-dàlana na ny fandrarana mihitsy ny sehatry ny tambajotra sosialy rehetra ao amin'ny firenena.
Ny sasany kosa mampiasa ny Twitter ho sehatra hanehoany ny heviny ara-tsosialy sy politika ary hitondra fanovana amin'ny alàlan'ny fanandrata-teny. Iray amin'ireo mpikatroka an-tserasera toy izany i Chisom Agbodike, mpianatra 19 taona mianatra any Ekiti any atsimo andrefan'i Nizeria. Niaro ny zon'ny LGBTQ + i Agbodike ary mampiasa ny sehatra hanehoana ireo fomba fijery ireo izy. Hatramin'ny nanombohan'ny fandraràna ny Twitter, tanora Nizeriana maro, anisan'izany i Agbodike, no nanjary kivy noho ny eritreritra mampiahiahy fa lasa tsirefesimandidy tsikelikely ny firenena izay mifanohitra amin'ny demokrasia.
Ohatra vitsivitsy ihany ilay tompon'ny fivarotana firavaka ao Lagos, Nwalema sy Agbodike amin'ireo tanora Nizeriana an-tapitrisany izay nahita vahaolana tao amin'ny tambajotra sosialy – na ho an'ny fialamboly fotsiny, na ho an'ny fampiakaram-peon'izy ireo, na ho an'ny fivelomana – ary ankehitriny dia feran'ny governemanta.
Azo antoka fa very fanantenana amin'ny demokrasia nolazain'i Nizeria fa ampiharina ny tanora marobe. Ho azy ireo, ny #KeepItOn no toa safidy tsara indrindra ho an'ny fahavelomany indray. |
https://mg.globalvoices.org/2021/07/26/153521/ | Fibahanana fidirana : ny fatiantoka ara-tsosialy sy ara-toekarena ateraky ny fibahanana ny Twitter ao Nizerià | 2021-07-26T05:43:46 | Unknown | Tanora nizeriàna mifanakalo hevitra momba ny votoatin'ny pejy iray sokafana anaty telefaona avo lenta. Sary an'i James Moore200 tao amin'ny Wikimedia Commons , 27 martsa 2021, nampiasàna lisansa CC BY-SA 4.0 .
[ Raha tsy asiana fanamarihana manokana, mankany amina pejy amin'ny fiteny anglisy daholo ny rohy ato. ]
Maro ireo Nizeriàna no malahelo fatratra ny famoizany an'i Twitter herinandro vitsy taorian'ny nanakatonan'ny governemanta nizeriàna azy. Ankoatry ny fanitsakitsahana mibaribary ny fahalalahana maneho hevitra an-tambajotra ananan'ireo mpampiasa azy, io fampiatoana io dia manohintohina ihany koa an'ireo Nizeriàna amin'ny fampiasan-dry zareo ilay sehatra ho amin'ny tanjona ara-toekarena sy sôsialy .
Ny 4 Jona 2021, nambaran'ny governemanta nizeriàna fa naatony ny asan'ilay sehatra fanoratana bilaogy kiritika ao amin'ny firenena taorian'ny namafàny ny bitsika iray nalefan'ny filoha Muhammadu Buhari. Tao anatin'ilay bitsika, norahon'ny filohampirenena ireo mpitolona mpomba an'i Biafra ao atsimo-atsinanan'ny firenena tsy hamerina ny ady an-trano tao Biafra tamin'ny 1967-1970 , izay nahafaty sivily 500.000 hatramin'ny 2 tapitrisa.
“Betsaka amin'ireo hondrankondrafana amin'izao fotoana izao no mbola tanora loatra tsy tonga saina amin'ny faharavàna sy famoizana aina nitranga nandritra ny ady tao Biafra. Ny sasany amintsika izay teny an-tanin'ady nandritra ny 30 volana, izay niaina ny ady, dia amin'ny teny izay hain-dry zareo tsara no itondrantsika azy ireo “, hoy ny nosoratan'i Buhari tao anatin'ilay bitsika izay efa nofafàna.
Nanaovan'ilay sehatra bilaogy kiritika fanamarihana ary nofafàny ilay bitsika, noraisiny ho toy ny fanitsakitsahana ny fepetra napetrany momba ny “fitondrantena tafahoatra”.
Tezitra tamin'io fihetsiky ny Twitter io, valy bontana nataon'ny governemanta ny fandraràna tsy misy fetra noho ny “fampiasàna tsy mitsahatra ilay sehatra ho amin'ireo hetsika mety hanimba ny fisian'ny vondrompiarahamonina nizeriàna”.
Ny 5 Jona 2021 no nanomboka nanan-kery ilay fampiatoana. Nangatahan'ny governemanta ireo rehetra mpanome tolotra tambajotra ao amin'ny firenena mba hampiato ny fahafahana miditra amin'ny Twitter.
Fandraràna lafo vidy loatra
Mihoatra ny 120 tapitrisa ireo Nizeriàna no manana fahafahana miditra aterineto, ary manodidina ny 40 tapitrisa amin'ireo no manana kaonty Twitter – izany hoe 20 % amin'ny vahoaka – araka ny lazain'ny kabinetra mpanadihady NOI Polls ao Lagos.
Mamela dindo goavana amin'ny fiainan'ireo marobe mpampias azy ny Twitter , izay tanora ny ankamaroany . Tafiditra tanteraka ho ampahany amin'ny fiainana sôsialin-dry zareo izy ary manohana ny fandraharahàna ataon-dry zareo, ampiasaina ho sehatra fanaovana dokambarotra. Matetika no avoaka ao ireo dokambarotra ho an'ireo fitaovana fampiasa an-tokantrano, fitaovana elektrônika, fitafiana ary fitaovana maro hafa, izay miteraka varotra avy eo. Nanampy olona marobe ny Twtter ho afaka nifandray tamin'ireo mpividy sy mpanjifa izay, raha amin'ny andavanandro, dia tsy ho tratr'antso mihitsy .
“Tsy maintsy tsarovantsika ihany koa fa mihoatra noho ny maha-loharanom-pifandraisana azy no ampiasan'ny ankamaroan'ireo tanorantsika mpiasa ao Nizerià ny Twitter. Lasa loharanom-pitadiavana fivelomana ho an'ny maro izy, tsy misy iankinan'izay fironany pôlitika na ny finoan-dry zareo. Samy amin'ny alàlan'ny fahafahana atolotr'ilay sehatra avokoa no mahita fivelomana ireo tanora sy ireo fikambanana misahana fifandraisana nomerika ao Nizerià, mba hamoahana zavatra ho fantatr'ireo mpanjifa “, hoy ny bitsika iray nalefan'i Seyi Makinde, governoran'ny Fanjakan'i Oyo ao Atsimo-Andrefan'i Nizerià.
NetBlocks, mpnaramaso ny aterineto erantany, dia nilaza tamin'ny BBC fa very teo amin'ny 250.000 dolara amerikàna teo i Nizerià isaky ny ora iray nanakanany ny Twitter. Hatramin'ny nampiatoana ilay tambajotra sôsialy, ireo orinasa salantsalany sy madinika (PME) izay niforona nanodidina ny fisian'ilay sehatra, isan'izany ireo mpanefy hevitry ny media sôsialy, ireo tsy miankina sy ireo tsimok'orinasa, dia nizaka fitontonganana tsy azo notsinontsinoavina tamin'ny asan-dry zareo.
Ankoatry ny fahafahana mitrandraka ara-toekarena, maro ihany koa ireo tombontsoa sôsialy isankarazany atolotr'ilay sehatra ho an'ireo Nizeriàna. Nampiasaina ny Twitter mba hanangonana vola ho an'ireo marary sy olona marefo, mba hamantarana ny toerana misy ireo olona tsy hita ary hiantsoana fiara mpitatitra marary. Ohatra, tamin'ny volana May, Twitter dia nandray anjara tamin'ny famahàna raharaha iray fakàna an-keriny sy famonoana olona iray mpitady asa tany amin'ny atsimon'ny firenena.
Ny fanohanan'ny Twitter an'ireo fihetsiketsehana #EndSARS
Na ivon'ity raharaha fampiatoana ity aza ilay bitsika nofafàna, dia tsy inona io fa ny vely kanonta farany tamin'ilay ady efa naharitra ela teo amin'ny fitantanan'i Buhari sy ny Twitter.
Nandritra ireo hetsipanoherana #EndSARS tamin'ny Oktôbra 2020, ka nandritra izany ireo tanora nizeriàna dia nihetsika nanohitra ny herisetra ataon'ny pôlisy, ny Twitter no teboka fototra nifantohan'ireo mpikarakara sy ireo mpanao hetsipanoherana. Nampiasaina ilay sehatra mba hanamafisana ny fanohanana ilay hetsika, izay nanao adisisika hamongorana ny sampan'ireo mpitily ao anatin'ny pôlisy nizeriàna fantatra amin'ny anarana hoe Andiany Manokana miady amin'ny Asan-Jiolahy (Special Anti-Robbery Squad – SRAS).
Ny Tale Jeneralin'ny Twitter, Jack Dorsey, dia nanohana ihany koa ireo hetsipanoherana, nanasa ireo mpampiasa ny tambajotra mba hanolotra fanomezana ho an'ilay hetsika. Ankoatra izany dia namoronan'ny Twitter ‘emoji’ vaovao ilay hetsipanoherana.
Nanome fitenenana ho an'ireo tanora nizeriàna ihany koa ny Twitter momba ireo olana sôsialy sy pôlitika mivaivay misy ao amin'ny firenena . Mampiasa ihany koa an'ilay sehatra mba hikarakaràny ireo hetsipanoherana sy hisarihana ny saina ho amin'ireo hetsika ataony ireo mpikatroka mitaky fisintahana toa an'i Nnamdi Kanu sy Sunday Igboho , ary hatramin'ireo mpikatroka toa an'i Omoyele Sowore . Nanozongozona ny governemanta izany, izay avy eo dia nihevitra ny handrindra ireo media sôsialy nanomboka tamin'ny fiandohan'ny fepotoam-piasàny tamin'ny 2015 .
“Tsy nitsahatra ny Twitter nanome hatrany ny sehatra ho an'ireo manohintohina ny fisian'i Nizerià ; izany no antony nampitsaharana ny asany aty Nizerià “, hoy ny nambaran'ny minisitry ny fampahalalam-baovao, Lai Mohammed, herinandro taorian'ilay fampiatoana .
Valy bontana sy fandrahonana fanenjehana noho ny fandingànana ilay fandraràna
Nandritra izany fotoana izany, niteraka fanontaniana teny anivon'ireo mpisehtra ao an-toerana sy iraisampirenena ilay olana, marobe no nanameloka ny fihetsiky ny governemanta. Ireo iraka diplaomatikan'ny Fiombonambe Eorôpeàna, ny Fanjakana Mitambatra, Etazonia, Irlandy ary Kanadà, dia samy nanamafy tao anaty fanambaràna iray niombonana fa “ny zo fototry ny olona hanana fahalalahana maneho hevitra sy hahazo vaovao no andry iray nijoroan'ny demaokrasia tao Nizerià, toy ny nanerana izao tontolo izao ihany”. Nambaran'ireo diplaomaty ny tsy hafalian-dry zareo manoloana ny fampiatoana ny Twitter, tamin'ny fanamafisana fa “mihatra ireny zo ireny na an-tambajotra na ivelan'ny tambajotra”.
Nomelohan'ny fitantanan'i Biden ihany koa “ilay fampiatoan'ny governemanta nizeriàna manjo ny Twitter amin'izao fotoana izao sy ny fandrahonana mety hisy aoriana hisamborana sy hanenjehana ireo Nizeriàna mpampiasa Twitter”, tao anaty fampitam-baovao iray tamin'ny 10 Jona 2021.
Manditra izany fotoana izany, raha efa naharitra herinandro maro sahady ilay fampiatoana tsy nahitana vahaolana, taorian'ny nanaovan'ireo goavana mpanome tolotra fifandraisandavitra ny fanakanana fahafahana miditra aminy, dia miha-maro ireo Nizeriàna no mahita làlan-kafa hahazoana miditra amin'ny tolotra fanoratana bilaogy kiritika. Marobe ireo mampiasa tambajotra virtoaly manokana (VPN) mba handingànana ilay fibahanana.
Ho setrin'ny fanamby ataon'ireo mpampiasa Twitter, ny governemanta nizeriàna, tamin'ny alàlan'ny minisitry ny fitsaràna, Abubakar Malami, dia nandrahona ny hanenjika ireo olona mampiasa VPN mba hahafahany miditra any amin'ny Twitter.
Niteraka valy bontana ilay fandrahonana nataon'Atoa Malami, marobe ireo mpampiasa nanamafy fa tsy mahalala velively ny fisiana lalàna mandràra ny fampiasàna Twitter. Isan'ireo izay nanoratra ho an'Atoa. Malami ilay minisitra teo aloha nisahana ny fampianarana, Oby Ezekwesili.
How many fellow Nigerians presently on @Twitter are happy to be prosecuted by @NigeriaGov for exercising your constitutionally guaranteed right to speech and association?
Please join me and joyfully ??♀️??♂️your hands so @MalamiSan can find us quickly and take to court. #KeepitOn
— Oby Ezekwesili (@obyezeks) June 5, 2021
Firy amin'ireo Nizeriàna mpiray tanindrazana ao amin'ny @Twitter amin'izao fotoana izao no faly hahita fa ho henjehan'ny @NigeriaGov noho ny nampiharany ny zony nomen'ny lalam-panorenana azy ireo ho afaka miteny sy hanana fikambanana?
Miaraha amiko ianareo ary atsangano ??♀️??♂️ ampiravoravoana ny tànanareo mba hahafahan'i @MalamiSan mahita malaky antsika sy hitondra antsika eny amin'ny fitsaràna.
Misy ihany koa tatitra sasantsasany milaza fa mifampiraharaha amin'i Shina izao ny governemanta mba hamoronana rindrinafo aterineto hanakanana ireo Nizeriàna tsy ho afaka miditra amin'ny Twitter amin'ny alàlan'ny VPN. Ny rindrinafo shinoa dia mametraka teritery amin'ny fahafahana miditra Google , Facebook, Twitter, WhatsApp, Instagram ary sehatra maro hafa tahaka izany ao Shina.
Ao anatin'ny andrana hitadiavany izay hasolo ny Twitter, vinavinain'ny governemanta ny hampiroborobo sehatra iray hafa antsoina hoe “Koo”, fanoratana bilaogy kiritika, ary efa namorona kaonty iray ao amin'ilay sehatra media sôsialyn izay ry zareo Indiàna no tompony. Nisoratra ihany koa ao amin'ny Koo ny sasantsasany amin'ireo tomponandraikitra ao amin'ny governemanta.
Ato ho ato ny Twitter sy ny governemanta nizeriàna dia mety hanomboka fifampiraharahàna hamahàna ilay olana. Raha tafita ilay fifampiraharahàna, marobe ireo Nizeriàna voadonan'ilay fampiatoana no ho afaka hisento tokana hahatsapa fa afa-doza. |
https://mg.globalvoices.org/2021/08/13/153761/ | #FreeRebecca: Melohin'ny Global Voices Afrika Atsimon'i Sahara ny fisamborana an-tondromolotra sy ny fihazonana an'i Rebecca Enonchong, mpitarika resaka teknôlôjia ao Kamerona | 2021-08-13T05:13:52 | Unknown | Rebecca Enonchong. Sary avy amin'ny UNCTAD Photo/Jean Marc Ferré, via Wikimedia Commons , 3 Avrily 2019 ( CC BY-SA 2.0 )
Feno tebiteby ny ekipa Global Voices Afrika atsimon'i Sahara raha nandre fa nosamborina tamin'ny 10 aogositra 2021 sy nohazonina ao amin'ny Légion de Gendarmerie Dla ao Douala, renivohitra ara-toekaren'i Kamerona, i Rebecca Enonchong ( @africatechie ), iray amin'ireo vehivavy manana anjara toerana goavana eo amin'ny sehatry ny fihariana ara-teknôlôjia sady mpandala ny zo ankihihihy (dizitaly) . Tsy misy taratasy ny fisamborana avy amin'ny mpitsara, ary tsy nampahafantarina ny vahoaka ny vesatra anenjehana azy.
Enonchong no mpanorina sady CEO [FTJ:Filoha Tale Jeneraly]ny AppsTech, sady avo vava handalàna ny teknôlôjia, ny zo ankihihihy, ny fitantanam-panjakana demaokratika ary ny fanajana ny zon'olombelona ho foto-panorenana ny fihariana tsara ao Afrika. izy aloha dia iray amin'ireo loharanom-baovao be mpanaraka sy itokisana indrindra amin'ny vaovaon'ny teknôlôjia Afrikana ao amin'ny Twitter, manana mpanjohy mihoatra ny 122.000. Efa nahangona loka maro ihany koa izy ka anisan'izany ny lisitra Forbes taona 2014 amin'ireo vehivavy folo mpanorina ny teknôlôjia mila jerena ao Afrika.
Naorina tamin'ny taona 2004, ny Global Voices dia seha-baovao iray mahaleotena mampifandray ny blaogera sy ireo olon-tsotra mpilaza vaovao isan'andro manerana izao tontolo izao, mampiasa ny aterineto ho fitaovana hananganana fokonolona manerantany tsy voasakan'ny (fahasamihafam)-piteny sy (fahasamihafan-)kolontsaina. Tohanan'ny Global Voices ihany koa ny zo ankihihihy, fahalalaham-pitenenana ary ny zon'olombelona manerantany.
Ifampizaran'i Enonchong sy ny ekipa Global Voices Afrika atsimon'i Sahara ny soatoavina fanajana ny zon'olombelona sy ny zo ankihihihy (dizitaly-nomerika) ato amin'ny kaontinanta.
Ny zavatra ataon'ny zandarimarian'i Kamerona amin'i Enonchong dia fanitsakitsahana ny zony tsy hosamborina an-tondromolotra ka hohazonina amin'izany.
Takian'ny Ekipa Global Voices Afrika atsimon'i Sahara ny famotsorana tsy misy fepetra an'i Rebecca Enonchong.
Fanampin'izany, angatahinay ny governemanta kameroney hanatontosa ny adidiny ao anatin'ny Fanambaràna Manerantany ny Zon'Olombelona, ka anisan'izany ny fiarovana sy ny fanajana ny zon'ny olompirenena manoloana ny fisamborana tsy fihazonana tsy ara-dalàna. |
https://mg.globalvoices.org/2021/08/17/153738/ | Kinasa hotontosaina amin'ny oktobra ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Cape Verde | 2021-08-17T04:26:57 | Unknown | Ny foiben'ny Antoko PAICV ao São Filipe, Fogo, Cape Verde. Tao amin'ny Flickr Travel Aficionado, 2013 (CC BY-NC 2.0) The PAICV Party headquarters in São Filipe, Fogo, Cape Verde. Via Flickr Travel Aficionado, 2013 (CC BY-NC 2.0)
Hotontosaina amin'ny 17 Oktobra ny fifidianana manaraka ao Cape Verde, hamaritana izay ho filohan'ny Repoblika vaovao. Jorge Carlos Fonseca, filoham-pirenena ankehitriny, izay nametraka koa ny fihodinana faharoa ho amin'ny 31 oktobra no nametraka izany daty izany.
Navoaka tamin'ny 27 jolay ity didy hitsivolana avy amin'ny filoham-pirenena nametraka ny daty hanaovana ny fihodinana faharoa ity ary manan-kery avy hatrany, na dia efa nifanakalozana hevitra nanomboka ny volana janoary 2021 aza ny fandaharam-potoana. Natao tamin'ny oktobra 2020 kosa ny fifidianana kaominaly , ary tamin'ny aprily 2021 ny fifidianana mpanao lalàna .
Araka ny filazan'ny gazety A Nação , nanome toky i Arlinda Chantre, Tale Jeneralin'ny fanohanana ny fizotry ny fifidianana ao amin'ny Fitantanana Ankapobeny amin'ny Fitantanan-draharaham-panjakana (DGAP) fa hanamora ny fampitaovana amin'ny fifidianana ho avy ny fikambanan'izy ireo:
[…] Como é a segunda eleição do ano, parte da logística foi devidamente preparada com as eleições legislativas, o que nos garante que nós já temos todos os materiais disponíveis e estamos exatamente no processo de preparação dos materiais que devem ser enviados às mesas das assembleias de voto.
[…] Satria fifidianana faharoa amin'ity taona ity izany, nomanina araka ny tokony ho izy tamin'ny fifidianana mpanao lalàna ny ampahany amin'ny fampitaovana, izay manome toky antsika fa efa manana ny fitaovana rehetra ilaina isika ary eo am-panomanana ireo fitaovana izay tokony halefa any amin'ny latabatry ny biraom-pifidianana isika.
Manondro ny lalàmpanorenan'i Cape Verde fa fidiana amin'ny alàlan'ny latsa-bato ataon'ny mpifidy voasoratra anarana ao amin'ny firenena sy any ivelany ny filohan'ny Repoblika. Ireo olona manana zom-pirenena Cape Verdeana irery ihany sy mihoatra ny 35 taona, ary manana fonenana maharitra ao amin'ny faritra mandritra ny telo taona farafahakeliny alohan'ny androm-pifidianana no afaka mangataka izany toerana izany
Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany natao tamin'ny 2 Oktobra 2016, dia voafidy indray tamin'ny 74 isanjaton'ny vato i Jorge Carlos Fonseca avy ao amin'ny Antoko Hetsika ho an'ny Demaokrasia (MPD). Tsy azo fidiana intsony ny filoha amin'ny faran'ny fe-potoam-piasany faharoa, araka ny lalàna mifehy ny fetran'ny fotoam-piasana.
Samy nanendry an'i José Maria Neves sy Carlos Veiga ireo antoko politika lehibe indrindra ao Cape Verde, ny Antoko Afrikanina ho an'ny Fahaleovantenan'i Cape Verde ( PAICV ) sy ny Hetsika ho an'ny demaokrasia ( MPD ). Manana tanjaka ara-tantara sy ara-politika goavana ao Cape Verde ireo antoko ireo ary nanjakazaka tamin'ny sehatra ara-politika tao amin'ny firenena nandritra ny efa ho telopolo taona.
José Maria Neves no praiminisitra Cape Verdeana teo aloha izay voafidy intelo teo anelanelan'ny taona 2001 ka hatramin'ny 2016. Nitàna andraikitra politika maro ihany koa izy, toy ny filohan'ny antokony sy depioten'ny firenena.
Nilaza ny PAICV, izay efa niady ho an'ny fahaleovantenan'i Cape Verde nanohitra ny Empira Portiogey fa manaiky ny “làlan'ny politika” an'ny kandidàny izy ary manondro azy ho “demaokraty resy lahatra” ary “mpampiroborobo ny soatoavin'ny fahalalahana sy ny fandeferana, ny rariny ara-tsosialy, ary ny fitoviana tombontsoa ho an'ny rehetra. ”
Nilaza i José Maria Neves fa, raha voafidy izy, dia te-hanasitrana ny fisaraham-bazan'ny firenena, hampihavana ireo mpanohana ny antoko mifandrafy ao amin'ny Fitantanam-panjakana, ary hampiroborobo ny fanarenana an'i Cape Verde taorian'ny krizy ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-pahasalamana nateraky ny areti-mandringana Coronavirus.
Praiminisitra teo aloha (1991 hatramin'ny 2000) i Carlos Veiga, mpilatsaka hofidina ho an'ny Antoko MPD, ary filohan'ny MPD teo aloha, izay nanampy tamin'ny fametrahana azy tamin'ny taona 1990. Nampanantena ny ho “filohan'ny Repoblika ambonin'ireo antoko” ary “ho kandidà tsy mizaha tavan'olona” ity politisiana izay masoivohon'ny Firenena tao Etazonian'i Amerika ity.
Veiga, mpisolovava, no lohan'ny governemanta voalohany voafidy tamin'ny fifidianana malalaka sy maro antoko tao amin'ny firenena, taorian'ny nitolomany nandritra ny dimy ambin'ny folo taona teo ambanin'ny fitondrana antoko tokana an'ny Antoko Afrikanina ho an'ny Fahaleovantenan'i Guinea sy Cape Verde (fantatra amin'ny anarana hoe PAICV). Fanintelony ity kandidà ity no milatsaka hofidiana filoham-pirenena, efa nilatsaka tamin'ny 2001 sy 2006.
Ho fampisehoana ny fanohanany an'i Neves taorian'ny fanambarana fampielezan-kevitra nataony dia nanomboka nanohy ny teny filamatra “Miaraka amin'i Cape Verde ao am-ponao foana ianao, Fitiavana aloha.”
Ernestina Pina nanoratra tao amin'ny Facebook, nilaza hoe :
Amar Cabo Verde para um futuro melhor. Viva Cabo Verde!
Tia an'i Cape Verde ho an'ny ho avy tsara kokoa. Ho ela velona i Cape Verde!
Niombon-kevitra i Tito Monteiro:
Um homem certo para um lugar certo. Doutor José Maria Neves.
Olona mendrika amin'ny toerana. Doctor José Maria Neves.
Mitovy amin'izany ihany koa, miangona hanohana azy ny mpanohana an'i Veiga rehefa nandeha ny dokambarotra fanentanam-pifidianana . Hoy ny fivakin'ny dokambarotra, “Kalu — Carlos Veiga President.”
Mpanohana iray, José Manuel Moreno, milaza hoe:
Estamos juntos, juntos somos mais fortes. Dr. Carlos Veiga, somos invencíveis.
Miaraka isika, matanjaka kokoa isika rehefa miaraka. Dr. Carlos Veiga, tsy mety resy isika
Mpisera hafa kosa, João Borrego, naneho hevitra hoe:
Dr. Carlos Veiga, alegria contagiante. Obrigado. Viva o futuro Presidente de Cabo Verde.
Dr. Carlos Veiga, hafaliana mihanaka. Mankasitraka. Ho ela velona ny Filoha Hoavin'i Cape Verde.
Tamin'ny fifidianana monisipaly 2020, nandresy tamin'ny monisipalite 14 amin'ny 22 ny MPD, raha ampitahaina amin'ny PAICV, izay nahazo ny maro an'isa tamin'ny monisipalite valo. Tamin'ny taona 2021, nandritra ny fifidianana mpanao lalàna tamin'ny avrily 2021, voaaron'ny MPD ny fanjakazakany tamin'ny fahazoana toerana 7 farafahakeliny mihoatra noho izay azon'ny PAICV (nahazo ny 36 amin'ny 72). Hanomboka volana septambra ny fifidianan'ny antoko sy ny an'ny firenena. |
https://mg.globalvoices.org/2021/07/19/153455/ | Miteraka resabe ao Môzambika ny sarina ravin-drongony hita amin'ny zava-pisotro iray manome tanjaka | 2021-07-19T12:55:10 | Unknown | Lazaina fa amin'ilay zavapisotro dia misy sarin'ny bozaka Cannabis sativa , izay, araka ny lalàna ao amin'ny firenena, mandrisika ny fanjifàna ity karazana zavamahadomelina izay heverina ho toy ny voarara ao Môzambika ity. Sary: fanaingoana/Giovana Fleck/Global Voices
Tamin'ny 1 Jolay dia namoaka fanambaràna iray ireo tomponandraikitry ny hetra ao Môzambika, nitatitra momba ny fivezivezena sy famarotana zavapisotro iray manome hery antsoina hoe “ Cannabis Energy Drink “.
Voalazan'ny antontan-taratasin'ny mpitaky hetra fa mety hosintonina tsy hoe eny amin'ny tsena môzambikàna ilay zavapisotro. Na tsy miaty marijuana aza ilay zavapisotro ary tsy manana toetoetra mampanonofy, dia mampanahy ny sasany amin'ireo manampahefana ny mety ho fandrisihan'izy io ny fanjifàna ireo zavamahadomelina tsy ara-dalàna ao amin'ny firenena.
Araka ny ambaran'ny pejy Facebook-n'ilay vokatra, efa hatramin'ny 2012 raha raha kely indrindra ilay zavapisotro no namidy tao Môzambika — na atao hoe tamin'ny 2013 aza ny lahatsoratra akaiky indrindra .
Amin'ilay zavapisotro dia ahitàna ravina Cannabis sativa , izay voalaza fa manitsakitsaka ny lalàna mifehy ny resaka zavamahadomelina ao amin'ny firenena. Lazain'ireo manampahefana fa mamporisika ny fanjifàna cannabis ilay zavapisotro, izay voarara ao Môzambika.
Ao anatin'ny fotoana izay iresahan'ireo firenena ao amin'ny Faritra Atsimo, izay misy an'i Môzambika, mba hanaovana izay haha-ara-dalàna ny marijuana no niditra ity fandraràna navoakan'ireo manampahefana ao Môzambika ity, toy izay nitranga tao Zimbaboe , tamin'ny 2018, ary tsy ela akory izay tao Zambia .
Tamin'ny 2018, neken'i Afrika Atsimo, izay mifanakaiky amin'i Môzambika, ny maha-ara-dalàna ny fampiasàna ny cannabis any amin'ireo toerana an'ny tena manokana. Nomen'ny fitsarana ao Afrika Atsimo alàlana ihany koa ny fambolena cannabis ary namoahany didy fa ny zo hanana fiainana manokana dia ‘mitatra ivelan'ny trano’.
Tamin'izany fotoana izany, marobe ireo Môzambikàna nihetsika nanoloana ny fanaovana ny cannabis ho ara-dalàna tao Afrika Atsimo, naneho hadrohadro sy ahiahy — indrindra fa noho i Afrika Atsimo tany amin'ny faritra atsimon'i Afrika no noheverina ho ny mpanokatra be indrindra ny cannabis , nanomboka tany amin'ny fiandohan'ny 2005, araka ny fandalinana iray vaovao nataon'ny Masoivoho Iraisampirenena Mpanaramaso ny Zavamahadomelina.
Taratasy fampahafantarana ny fandraràna ny famarotana ilay vokatra – Sampandraharahan'ny Varotra. Sary avy amin'ny fampitàna ôfisialy, 1 Jolay 2021.
Anatin'ity sahan-dresaka ity, nandefa taratasy fampahafantara ny Sampandraharaha mifehy ny varotra ho an'ireo mpiasa sy ireo mpisahana ny ara-barotra mba tsy hanafatra intsony, ary indrindra tsy hivarotra izany karazana zavapisotro izany manomboka ny 1 Jolay 2021 teo.
Tsy mazava hoe “aiza no vokarina ilay ‘ Cannabis Energy Drink ‘, na dia any Pays-Bas aza no tondroin'ny tranonkala ôfisialiny ho firenena mpampiantrano.
Niteraka adihevitra teny anivon'ireo mpampiasa media sôsialy ilay fifandrohitan-kevitra. Ny sasany mahatakatra ilay fanapahankevitra, fa ny hafa indray nihevitra ilay fandraràna ho tsy araka ny tokony ho izy, indrindra fa noho ilay zavapisotro tsy miaty zavatra mampanonofy. Amin'ny teny hafa, tsy misy fiantraikany amin'ny vatan'ireo mpisotro izy io satria tsy miaty tetrahydrocannabinol (THC) , ilay singa tena tomponandraikitra amin'ny fiantraikan'ny cannabis ao anatin'ny vatana.
Nisy ireo nitaky mba farafaharatsiny misy fototra siantifika ny fanapahankevitr'ireo manampahefana môzambikàna, araka ny fanehoankevitry ny profesora Celestino Joanguete:
Mbola ho apetaka hiaraka amin'ity antontan-taratasin'ny fadin-tseranana ity ny fandalinana siantifika manaporofo ny fifandraisan'antony sy vokatra ateraky ny fanjifàna ilay zavapisotro manome tanjaka, ary ny vokatra fototra enti-manamboatra azy.
Tsy takatr'i Zenaida Machada, mpanao gazety sy mpikaroka ao amin'ny Human Rights Watch , ilay fanapahankevitra, ary dia anaovany fampitahàna amin'ny fitaovampiadiana izay hita eo amin'ny sainam-pirenena môzambikàna:
Mozambique banned d selling of d “Cannabis” energy drink bcoz, according to an official document, the cannabis image on d can incites people to consume d drug. Following this logic, maybe they should consider banning d country's flag as d AK47 image could incite people to kill? pic.twitter.com/5hSg3r6LMV
— Zenaida Machado (@zenaidamz) July 5, 2021
Raràn'i Môzambika ny famarotana ny “Cannabis” energy drink satria, araka ny antontan-taratasy iray ôfisialy, dia mandrisika ny olona handray io zavamahadomelina io ilay sarina cannabis eo amin'ny kapoakany. Raha io làlan-tsaina io no arahana, angamba tokony hoheverin-dry zareo koa ve ny fandraràna ny sainam-pirenena satria mety handrisika ny olona hamono ny fisian'ilay sarina AK47? pic.twitter.com/5hSg3r6LMV
Stayleir Marroquim, mpisolovava, manana famaky mitovy amin'izany, tao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny Facebook:
Essa coisa de “interpretação” sempre deu muito trabalho, desde os tempos lá da primária quando estudavamos a “leitura e interpretação de textos.”
Um fim de semana energético, mas comedido, para todos.
Raha toa ny sarina “cannabis sativa” eo amina zavapisotro iray manome tanjaka ka mandrisika ny fandraisana “cannabis”, araka ny voalazan'ireo solontenam-panjakana sasany, dia atahorako indray andro any ka ireo solontenam-panjakan ireo ihany koa no handika sy hilaza izay tairin'ilay sarina fitaovampiadiana AKM hita eo amin'ny sainam-pirenentsika. Efa asa be mandrakariva ny amin'io fomba “fandikàna” io, nanomboka tamin'ny andro nandiavana ny sekoly fanabeazana fototra nianarantsika ny “vakiteny sy fanadihadiana lahatsoratra”.
Faran'ny herinandro mavitribitrika saingy somary mangingiana ho an'ny rehetra.
make weed legal, please
— Palloma Matusse (@pallomagpm) July 5, 2021
Ataovy ara-dalàna ny rongony, miangavy — Palloma Matusse (@pallomagpm) 5 Jolay 2021
? Você é a favor da legalização do consumo da Cannabis (Suruma)? ?
— Mulungo do Chiveve (@criticoesocial) July 5, 2021
? Ianareo ve manaiky ny hanaovana ny fampiasana ny cannabis (Suruma) ho ara-dalàna? ?
— Mulungo do Chiveve (@criticoesocial) 5 Jolay 2021 |
https://mg.globalvoices.org/2021/07/29/153566/ | Manao fanentanana ny governemanta ao Angôla mba hampiatoana ny fampiasana sterôida hanovàna ny vatana | 2021-07-29T05:15:01 | Unknown | Noho ny fitomboan'ny fahafatesana sy fahasarotana ateraky ny fampiasàna fanafody sy fandidiana hanatsaràna endrika, izay manova ny firafitry ny vatana, nanapaka hevitra ny governemanta ao Angôla ny hanao fanentanana hitaizana ny olona sy hanairana ny vahoaka. Sary: Giovana Fleck/Global Voices
Mpandihy sy mpihira i Julieta Gomes Manuel taloha, fantatra ihany koa amin'ny hoe Juelma Paraíso. Noho ny fahasarotana nateraky ny fandidiana ho fanovàna endrika, antsoina hoe “jarda” dia maty izy tamin'ny May 2021 tao amin'ny toerampitsaboana iray ao Loandà.
Ny Jarda dia fomba iray ampidirana biopolymers sy sterôida voatrolombelona ho ao anaty vatana mba hanalehibeazana faritra iray manokana. Mora kokoa ireny fomba ireny raha mitaha amin'ny atolotr'ireo toerampitsaboana klinika, ary araka izany dia malaza kokoa. Fa mety koa hampididoza bebe kokoa izy ireny.
Nanoloana ny fahafatesan'i Manuel, nandefa fanentanana iray ny governemanta ao Angôla mba hiadiana amin'ilay fomba. Ny Ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahantena no nikarakara azy, ilay fanentanana amin'ny alàlana kaonferansa sy dokambarotra fanentanana dia natao hanairana ny fahatsiarovantenan'ny olona momba ny fampiasàna ny sterôida voatrolombelona sy ny zavadoza mety haterany.
Patrícia Pires, Angôley mpihira izay nandalo fandidiana roa tamin'ny 2020 mba hanesorana ny jarda tao amin'ny vatany, taorian'ireo fihasarotana nateraky ny dingana voalohany, no ho Masoivoho amin'ilay ady.
Conhecida como “Embaixadora do Combate a Jarda em Angola”, a cantora Patricia Pires fez uma visita a kudurista Flor de Raíz, após passar por cirurgia de remoção da jarda, para dar a seu apoio e incentivar outras mulheres que fazem o uso das mesmas substância a pararem de o fazer. pic.twitter.com/sFVJbZyqmn
— Kianda Magazine (@KiandaMagazine) July 15, 2021
Fantatra amin'ny maha “Masoivohon'ny Tolona Jarda ao Angôla” azy, tonga nitsidika an'ilay kudurista Flor de Raíz i Patricia Pires, taorian'ny nandalovany fandidiana fanesorana jarda, hanome fanohanana azy sy handrisika ireo vehivavy hafa izay mampiasa singa tahàka io mba hitsahatra tsy hanao izany.
Tamin'ny 2018 no nanomboka nalaza ny Jarda . Asehon'ireo saripika sy lahatsary ety anaty tambajotra sôsialy ireo vehivavy milalao ireo faritra amin'ny vatany amin'ny fampiasàna io fomba io. Azo vidiana mora foana ny sterôida anabôlika, na eny amin'ny tsena tsy ara-dalàna izany, na eny amin'ny fivarotam-panafody.
Kanefa, lasa nanjary naha-be resaka ilay fomba fanao rehefa nivoaka an-gazety ny tatitra momba ny raharahan'ireo vehivavy nanenina noho ny nanaovany jarda. Noho ny endrika tsy voafehy ananan'ilay fomba fanao, ny maha-tsizarizary ny fitaovana ampiasaina, ary mazàna ny tontolo tsy ara-pahasalamana anaovana azy, mety hitondra mankany amin'ny fahazoana areti-mifindra mahery vaika sy fahasarotana hafa ny jarda .
Tamin'ny 2019, Jornal de Angola nitatitra fa vehivavy roa no maty tao Loandà, renivohitr'i Angôla, raha telo hafa kosa no simba tanteraka ny endriny, taorian'ny nanandraman-dry zareo nanova ny ampahany tamin'ny vatany, toy ny vody, valahana ary tongotra, tamin'ny fampiasana akora simika mba hanalehibeazana kokoa azy ireny tamin'ny alàlan'ny fomba tsy azo antoka, roa taona lasa izay. Notaterina ihany koa tao amin'ny TPA, ilay fahitalavitra lehibe indrindra ao amin'ny firenena ilay tranga, araka ny aseho amin'ny lahatsary eto ambany:
Tamin'io taona io ihany, notaterin'ny gazety fa, taorian'ny nampiasàny jarda, ilay kudurista Samara Panamera, iray amin'ireo mpanakanto be mpahalàla mpiangaly kuduro (dihy mahazatra ao Angôla), dia tsy maintsy niatrika fandidiana tany amin'ny vodiny. Tsinian'ireo mpanakiana ho ny fenitra ara-hatsarantarehy manimba sy ny fanindriana tafahoatra ny resaka endrika ivelany ao Angôla no mahatonga ny firohotana hanao jarda . Renato Palma, dokotera iray nitafàn'ny Jornal de Angola, nilaza mihitsy fa:
Os resultados do uso incorrecto de suplementos anabolizantes são, a curto prazo, desastrosos e muitas vezes irreversíveis (…). As nádegas das pessoas que usam inadvertidamente anabolizantes mudam de lugar, por causa do peso. Quando a pele humana começa a perder consistência elástica normal, a pessoa necessita de uma intervenção cirúrgica para a relocalização ou mesmo remoção.
O líquido pode viajar em forma de êmbolo até aos rins, provocando depois problemas renais, respiratórios e ao coração, que pode provocar enfarte. Em alguns casos, com tratamento envolvendo antibiótico, terapia e outras formas, consegue-se parar o processo, mas a pessoa não fica a mesma.
Ny vokatry ny hadisoana amin'ny fampiasàna akora anabôlika, ao anatin'ny fotoana fohy, dia maharikoriko ary matetika no tsy azo iverenana intsony (…). Miova toerana ny ravim-bodin'ireo olona mampiasa fahatany ny sterôida anabôlika noho ny vesatr'izy ireny. Rehefa tsy mahatahiry intsony ny firirotra natoraly nananany ny hoditry ny olombelona, dia mila miatrika fandidiana ilay olona mba hanisahana na hanesorana izany mihitsy aza.
Afaka miparitaka anaty lalandrà tonga mivangongo hatrany amin'ny voa, hiteraka aretin'ny voa, fahasemporana ary aretin'ny fo ilay tsiranoka. Amin'ny tranga sasany, ampiarahana amin'ny fitsaboana ampiasàna antibiôtika, fitsaboana sy endrika maro isankarazany, mety azo atao ny mampitsahatra ilay dingana, saingy tsy ho toy ny taloha intsony ilay olona.
Ilay drafitra, natolotry ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, Ana Paula do Sacramento Neto, dia ho ampiharina manerana ny firenena, ary nomena ny anarana hoe ”Ho an'ny Fahasalamana sy ny Aina, Lavo ny Jarda”:
Numa iniciativa da organização Juventude Organizada Responsável e Organizada (JIRO), pretende-se, entre outras metas, reduzir o índice de uso de anabolizantes, particularmente nos ginásios oficiais e clandestinos do país e despertar a juventude no mal que pode causar.
Tanaty fandraisana andraikitra iray avy amin'ny fikambanana Juventude Organizada Responsável e Organizada (JIRO) – Tanora Voarindra sy Tomponandraikitra – ny tanjona, ankoatra ireo tanjona hafa, dia ny hampihena ny tahan'ny fampiasàna sterôida, indrindra fa any amin'ireo toerana fanaovana fanatanjahantena ofisialy sy tsy ara-dalàna ao amin'ny firenena, ary hamohazana ny sain'ny tanora momba ny loza mety haterany.
Na izany aza, misy ireo nilaza fa tsy io fomba fanao io no tokony hampiasa saina ny governemanta ao Angôla io fa izay hanatsaràna ny fiainan'ny tanora angôley:
O Ministério da Juventude e Desporto deveria estar focado em melhorar as diversas modalidades desportivas em Angola para evitarmos essas poucas vergonhas mas como Angola não é país, mas sim meme, estão focados em parcerias com o Combate a Jarda em Angola. #TudoAtoa
— Azulay (@WilliamAzulay) June 30, 2021
Mba hisorohana ireny henatra vitsivitsy ireny, ny fanatsaràna ireo karazam-panatanjahantena aty Angôla no tokony hifantohan'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, saingy noho i Angôla tsy firenena fa sarimiaina, dia ny fiarahana miasa amin'ny Combate a Jarda aty Angôla no ifantohan-dry zareo. #ZavatraTsyMitondraInona
Ny hafa milaza fa mariky ny fiovàna ny jarda , satria tany am-piandohany dia fomba fanao nampitsiriritra izy io, saingy amin'izao androntsika izao dia ny fanakianana sisa no tavela:
É interessante ver como as coisas mudam. Grande parte das mulheres idolatradas do ponto de vista físico na banda usavam jarda, hoje são as criticadas. Não tou aqui a fazer juízo de valor do “certo/errado”, mas o facto é: as coisas mudam:)
— Danilo Castro (@danilopacastro) July 17, 2021
Mahaliana ny mahita ny fiovan-javatra. Ny ankamaroan'ireo vehivavy nohindrahindraina noho ny endrika ivelany tao anaty andiany iray dia nampiasa “jarda” daholo, ankehitriny dia kianina izy ireny. Tsy mitsara ny “ratsy/tsara” aho eto, fa ny zavamisy dia : miova ny zavatra rehetra 🙂 |
https://mg.globalvoices.org/2021/07/18/153292/ | Lasa fitaovam-piadiana hamelezana an'i Tigré ny fanolànana faobe mahatsiravina atao amin'ireo vehivavy mandritra ny ady ao Etiopia | 2021-07-18T05:09:05 | Unknown | “Vehivavy ao Tigré” an'i Rod Waddington nampiasàna ny lisansa CC BY-SA 2.0
Sarotra be ny mifantina izay tantara tena mampivarahontsana indrindra amin'ny ady an-trano mitranga ao amin'ny faritra. Misy tantaran'ny vehivavy iray 40 taona izay im-betsaka no niharan'ny fanolanana nataona vondrona iray misy miaramila eritreàna miisa 15, ary avy eo navelan-dry zareo teny amoron-dàlana . Misy ihany koa ny tantaran'ny vehivavy iray 34 taona niharan'ny fanolanana nataona miaramila Amhara 4 ary nanitrihana vy mahamay tany anatin'ny fivaviany mba handoroana ny tranonjaza. Ary avy eo ny tantaran'ny vehivavy iray 65 taona noterena hijery ny fanolanana faobe natao an'ireo zanany roa vavy, sy nodarohana teo imasony.
Tao anatin'ny adihevitra iray vao haningana teo anoloan'ny parlemanta britanika, novinavinain'ilay pôlitisiàna avy amin'ny Antokon'ny Mpiasa, Helen Hayes, ho vehivavy 10.000 tao Tigré raha kely indrindra no niharan'ny fanolanana hatramin'ny nanombohan'ny ady.
Tamin'ny Aprily lasa teo, nilaza i Pramila Patten , solontena manokan'ny Firenena Mikambana momba ny Herisetra Ara-Nofo atao mandritra ny Ady fa mety ho volana marobe no handalo vao hiaiky tanteraka ny halalin'ireo habibiana atao amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy ao Tigré ireo manampahefana. Fanehoankevitra nataony nandritra ny adihevitra misokatra fanaon'ny Filankevi-Pilaminana ao amin'ny Firenena Mikambana momba ny herisetra ara-nofo mifandraika amin'ny ady .
Ady vetaveta no mipoaka
Ny 4 Novambra 2020 no nipoaka ny ady tao amin'ny faritra Tigré ao Etiôpia. Nanao fanafihana goavana ny tao Tigré ny praiminisitra Abiy Ahmed rehefa avy niampanga ireo mpitarika ny firenena, ny Tigray Peoples Liberation Front (TPLF), ho nanafika toby miaramila federaly iray. Nihenjana ny tady teo amin'ny TPLF sy ny governemanta federaly hatramin'ny nahatongavan'i Abiy Ahmed teo amin'ny fitondrana tamin'ny 2018. Nampangain'ny TPLF izy ho nanilika azy ireo tsy ho ao anatin'ny dingana politika federaly, raha izy kosa indray niampanga ny TPLF ho manakorontana ilay lisitra lavabe ho fanavaozana nampanantenainy rehefa tonga teo amin'ny fitondrana izy.
Nirefotra ny fihenjanana rehefa nanapaka hevitra ny TPLF fa hikarakara fifidianana federaly tamin'ny tapaky ny taona 2020 taorian'ny nanemorana ireo fifidianana nasiônaly noho ny fisian'ny valanaretina Coronavirus.
Kanefa ho an'ireo manaraka ny pôlitika ao amin'io firenena ao Afrika Atsinanana io dia tsy nanampoka ny fisian'ny ady . Taona iray talohan'ny nipoahan'ny fifandirana, im-betsaka namerimberina niantso ny hampihenana ny fifanenjanana ireo fikambanana toy ny Crisis Group .
Ny governemanta federaly nilaza ilay hetsiky ny tafika ho “fampiharana ny lalàna” ary nanambara fa nitsahatra ilay fifandirana, telo herinandro taorian'ny nahazoan'ny tafika federaly ireo tanàna lehibe tao Tigré. Kanefa, tsy amin'ny fomba ofisialy, miditra amin'ny faha-valon'ny volana isiany ny ady.
Fanolanana atao toy ny fitaovam-piadiana
Amin'ireo fanimbazimbàna mahatsiravina ny zon'olombelona amin'ny ady ao Tigré, ny tantaram-panolanana faobe no ratsy indrindra.
Nirotsaka hiady amin'i Tigré ny governemanta etiôpiàna sy ireo tafiky ny faritra Amhara mpiray vodirindrina sady mpiaradia aminy. Taterin'ireo niharam-pahavoazana fa ny ankamaroan'ireo herisetra sy fanolanana dia ny andia-miaramila eritreàna sy ny tafika Amhara avy ao amin'ny fanjakana Amhara mpiray vodirindrina aminy no nahavanona azy ireny.
Efa am-bolana maro no nakaton'ny governemanta eritreàna ny faritra Tigré tsy ho azon'ireo mpanangona vaovao hidirana . Saingy vantany vao nahazo alàlana ho afaka miditra ireo mpanangona vaovao sy masoivoho mpitondra fanampiana, nanomboka nitosaka ireo tantara maharikoriko.
Relijiozy iray ao amin'ilay faritra, izay nisafidy ny tsy hitonona anarana noho ny antony fiarovana aina, no nilaza tamin'ny The Guardian fa mitranga any amin'ny faritra rehetra lalovan'ireo andian-tafika etiopiàna sy eritreàna ny fanolanana.
Ny fanolanana dia manomboka amin'ny zaza 8 taona ka hatramin'ny lehibe 72 taona. Tena miparitaka be, mahita izany foana aho any rehetra any, an'aliny maro. Imasom-bahoaka io fanolanana io, eo anatrehan'ny fianakaviana, vady, eo anatrehan'ny rehetra. Tapahana ny tànana aman-tongotr'izy ireny, amin'ny fomba mitovy daholo.
Evelyn Regner, lehiben'ny Kaomisiôna Misahana ny Zon'ny Vehivavy sy ny Fitovian-Jo ao amin'ny Parlemanta Eorôpeàna (FEMM) niantso ny hitazonana ho tomponandraikitra ireo izay nahavanona ny fampiasàna ny herisetra ara-nofo ho toy ny fitaovam-piadaiana amin'ny ady ao Tigré.
Efa taonjato maro no nampiasaina ho toy ny fitaovam-piadiana ny herisetra ara-nofo atao amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy. Indrisy fa dia mbola toy izany ihany no tranga misy any anatin'ireo fifanolanana marobe manerana izao tontolo izao ary ohatra iray hafa amin'izany ny ady an-trano any avaratr'i Etiôpia.
“Nofy ratsy tsy mampino”
Hatramin'ny nanombohan'ny ady, nanao fanentanana ireo avy ao Tigré fa monina any am-pielezana (diaspora) mba hampitsaharana ny ady ao Tigré. Manana havana akaiky na havan-tetezina ao amin'ilay faritra ny ankamaroan-dry zareo ireny.
Niresaka tamina Tigreiàna maromaro miaina am-pielezana ny Global Voices, isan'ireny i Meron, 42 taona, monina ao Chicago, izay manana anabavy sy zanak'olom-pianadahy ao an-tanànan'i Adigrat ao Tigré.
Tena nofy ratsy ny zavatra manjo ny fianakaviana sy ny vahoakanay, nofy ratsy tsy mampino. Isaorako Andriamanitra fa hatreto dia tsy misy mampanahy ny anabaviko sy ireo fianakaviako akaiky, saingy manana havan-tetezina aho izay voalaza fa maty na voaolana. Nefa ny tsy maha-tafandry mandry anay rehetra isan-kalina, dia mitohy ny ady, araka izany dia tsy misy na iza na iza miaina fahalemana.
Maro ireo hetsipanoherana nitranga nanerana izao tontolo izao manohitra ny zavatra izay faritan'ireo Tigreiàna ho ady fandripahana atao amin'ny fianakavian-dry zareo . Lazain-dry zareo fa efa an'aliny maro ireo sivily maty novonoina hatramin'ny nanombohan'ilay ady.
Ankoatra ireo famonoana faobe sy fanolanana manjo ny sivily, miatrika kere ankehitriny ny ao Tigré, izay mety mbola hamoizana aina an'arivony maro fanampiny .
Ny USAID maminavina hoe olona 900.000 ao Tigré no miatrika hanoanana lalina. Hentitra ny tenin'i Samantha Powers, mpitarika ny USAID, niampanga ny governemanta etiôpiàna amin'ny fibahanana ireo fanampiana ho an'ny sivily tra-pahasahiranana.
“Izay Tigré rehetra fantatro dia samy mandresy lahatra daholo mba hitsaharan'ilay ady,” hoy i Meron. “Raha tsy mitsahatra io, atahorako ho ny anabaviko no ho voaolana manaraka eo ary ny fianakaviako no ho faty.” Ny tahotr'i Meron dia maka ho ohatra ireo lehilahy marobe izay novonoin'ny tafika etiôpiàna izay sady naka sary ny tenany ihany tamin'ny findainy ry zareo teo am-panatanterahana izany. Nisy tatitra ireny heloka bevava ireny, ary voamarin'ireo mpamoaka vaovao toy ny CNN ary ny The Telegraph taorian'ny nivoahan'ny lahatsary mampiseho ireo miaramila etiôpiàna mifititra lehilahy tsy nitondra afa-tsy tanam-polo. Santionany amin'ireo mety ho heloka an'ady tsy mbola nanaovana fanadihadiana ireo
Mbola mitsingilahila ny toedraharaha ao Tigré satria mivoady ny hiady ireo mpitarika ao Tigré mandra-panosik'izy ireo ny tafika eritreàna sy Amhara. |
https://mg.globalvoices.org/2021/06/30/152079/ | Mpikatroka Afrikàna Tatsimo mafàna fo no nahazo ny loka 2021 Per Anger Prize | 2021-06-30T20:54:47 | Unknown | (Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2021)
S'bu Zikode, mpiara-manorina ny hetsika Abahlali baseMjondolo niresaka tao amin'ny Poverty Scholar Program: Poverty Initiative Strategic Dialogue, 13 Novambra 2010. Sary avy amin'i Michael Premo , ( CC BY-NC-SA 2.0 ).
Ilay Afrikanina Tatsimo mpikatroka ho an'ny zon'olombelona Sibusiso (S'bu) Innocent Zikode no nahazo ny loka 2021 Per Anger Prize . Ny asan'i Zikode dia miompana amin'ny zo hanana trano, ny tany ary ny fahavelomany ho an'ireo mponina sahirana indrindra any amin'ireo trano bongo ao amin'ny firenena, ary izy no hahazo ny loka fanampiana noho ny maha-olona avy amin'ny ny The Living History Forum amin'ny 21 Aprily.
Natsangan'ny governemanta soedoà tamin'ny 2004 ary tantanan'ny The Living History Forum, ity loka ity dia mampiroborobo ny fandraisana andraikitra manohana ny zon'olombelona sy ny demokrasia manerana izao tontolo izao. Ny loka dia nomena ny anaran'i Per Anger , diplomaty soedoà any Budapest izay namonjy Jiosy maro tamin'ny fanenjehana sy ny fahafatesana nandritra ny Ady Lehibe Faharoa tao Hongria nobodoin'ny Nazi.
Zidoke no mpiara-manorina, 16 taona lasa izay, ny Abahlali baseMjondolo (fehezanteny azo adika tsotsotra hoe “ny olon'ireo trano bongo”), hetsika afrikanina tatsimo iray miasa manohitra ny “fandroahana tsy ara-dalàna sy manao fanentanana ho an'ny zo hananan'ny rehetra trano hipetrahana ”, indrindra ho an'ireo mipetraka amin'ny trano bongo. Ny hetsika dia teraka avy tamin'ny fihetsiketsehana nokarakarain'ireo mponina tsy ara-dalàna tao amin'ny lalana Kennedy Road tao amin'ny tanàna atsinanan'i Durban tamin'ny fiandohan'ny taona 2005 ary niitatra hatrany Pietermaritzburg sy Cape Town .
Manana olana amin'ny trano fonenana mampidi-doza i Afrika atsimo , mihombo noho ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa fototra toy ny herinaratra sy famatsian-drano any amin'ireo tanàna tsizarizary ipetrahan'ireo ” mahantra sy sahirana ” ao amin'io firenena io.
Nilaza i Zikode fa “ny trano bongo tsy misy rano, herinaratra ary fanadiovana dia tsy mendrika ny ho antsoina hoe trano,” hoy ny fanambarana an -gazety avy amin'ny Living History Forum. “Mifanohitra amin'izany, midika tontolo mampididoza ny fiainana izay henjana manokana ho an'ireo vehivavy, ankizy ary vondron'olona vitsy an'isa,” hoy i Zikode.
Ny olan'ny trano fonenana sy ny tsy fahampian'ny fidiovana dia nanamafy ny areti-mandringana COVID-19 teny anivon'ireo vondrom-piarahamonina sahirana sy marefo ao Afrika Atsimo.
Ny asa tsy iraviraviana tànana ataon'i Zikode no nahazoany dera avy amin'ny vahoaka, saingy ilay hetsika dia heverina ihany koa ho loza mitatao ho an'ny mpitondra fanjakana any Afrika Atsimo.
Mifampizara habaka iraisany amin'ireo mpandresy teo aloha i Zikode, anisan'izany tato anatin'ireo taona faramparany: Elena Urlaeva (2010), Narges Mohammadi (2011), Sapiyat Magamedova (2012), Justine Ijeomah (2013), Rita Mahato (2014), Islena Rey Rodríguez (2015 ), Abdullah al-Khateeb (2016), Gégé Katana Bukuru (2017), Teodora del Carmen Vásquez (2018), Najwa Alimi (2019) ary Intisar Al-Amyal (2020).
Miady ho an'ny fahamendrehan'ireo mpipetraka anaty trano bongo
Ny fanavakavahana an-tanàndehibe mifototra amin'ny foko niaviana no iray amin'ireo endrika mamaritra ny “apartheid” tao Africa Atsimo. Na izany aza, nitohy ao amin'io firenena io ny fitsipiky ny habaka an-tanandehibe taorian'ny fianjeran'ny apartheid , na dia amin'ny endrika hafa aza, .
Ny Afrikàna tatsimo dia mbola mizarazara hatrany ho ireo manana trano sy ireo tsy manan-kialofana, mponina anaty trano bongo.
Na izany aza, ny “ampahany tamin'ny hetsi-panoherana nalaza tao an-toerana nanoherana ny fitondram-panjakana” nanenika an'i Afrika Atsimo tamin'ny 2001 dia nitarika ny fipoiran'ny Abahlali baseMjondolo (AbM), “hetsika mahaleotenan'ireo mponina an-trano bongo,” araka ny lazain'i Richard Pithouse, mpikaroka amin'ny politika sy ny iraisam-pirenena ao amin'ny Oniversite ao Rhodes, Afrika Atsimo. Ny AbM dia “teraka avy tamin'io hetsika ifotony io ary nanomboka teo dia namoaka fitakiana ny tsy maitsy hananana fizakantena ara-pitantanana, ny drafitra an-tanàndehibe eny ifotony ary ny zo hanana tanàna,” hoy i Pithouse.
Tamin'ny Mey 2005, olona maherin'ny 5.000, mponina avy amina tanàna tsizarizary sy tranoben'ny kaominina tao Durban no nikarakara hetsi-panoherana nitakiana ny zo ho afaka miditra amin'ny fananantany, trano fonenana sahaza, trano fidiovana ary fampitsaharana ny fanesorana an-keriny.
Nigel C. Gibson, anglisy mpikatroka mafàna fo sy manam-pahaizana dia nanambara fa ireo mpanao fihetsiketsehana dia “nanolotra fehezan-dalàna miaty fitakiana 10 izay novolavolain'izy niarahana tamin'ny fiarahamonina.” Izany no nitarika ny AbM, tamin'ny fiandohan'ny taona 2006, “hikarakara ankivy ny fifidianana ifotony tao an-toerana izay nokasaina hatao ny volana Martsa tamin'io taona io,” hoy i Gibson.
Saingy tsy ny rehetra no nakasitraka sy tsara fandray ny ady nataon'i AbM ho an'ireo marefo.
Tamin'ny Septambra 2009, ny foibe niaingan'ny hetsika AbM tany amin'ny Arabe Kennedy tao Durban dia notafihana lehilahy mitam-piadiana, teo ambany mason'ny polisy. Nikaroka an'i Zikode ireo mpanafika , izay norahonany hovonoina.
Ireo fanafihana izay voalaza fa nataon'ireo “olona nifandray tendro tamin'ny sampan'ny ANC teo an-toerana ” (Kongresy Nasionaly Afrikanina, ny antokon'ny fitondrana tany Afrika Atsimo), dia nahafaty olona roa, nandratra maro ary naharava trano bongo 30.
Taorian'izany dia niafina i S'bu Zikode , ary mpikambana 13 AbM no nosamborin'ny polisy.
Ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona, Amnesty International dia namariparitra ilay fanafihana ho toy ny “herisetra natosiky ny fijery politika.”
Na izany aza, ny herisetra atao amin'ny AbM dia tsy nampihemotra ireo mpitarika azy na ny hetsika. Fa kosa, nanamafy ny fahavononan'izy ireo hanohy hiady ho an'ny zon'ireo Afrikàna Tatsimo marefo mponina an-trano bongo mba hanana fiainana mendri-kaja . |
https://mg.globalvoices.org/2021/06/24/153131/ | Fihazana foza: Enjehina ny mpanao kolikoly politika any Angola | 2021-06-24T04:57:19 | Unknown | Kolikoly any Angola – YouTube: Fahitalavi-panjakana ao Angola, sary nalaina tamin'ny 9 Jona 2021
Tao anatin'ny fepetra farany indrindra tamin'ny famoretana nasionaly momba ny kolikoly any Angola dia nandroaka olom-panjakana mpanao politika ambony ny manampahefana ka isan'izany ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny fiarovam-panjakana, Pedro Sebastião , sy ny Mazaoron'ny Tafika Pedro Lussaty , izay voatazona ihany koa taorian'ny fiampangana fanodinkodinam-bola .
Noroahana tamin'ny volana May 2021 ireo tompon'andraikitra ireo tao anatin'ny “ Operation Crab ” (Fihazana foza), fanentanana miady amin'ny kolikoly tarihin'ny Sampan-draharahan'ny Fampahalalam-baovao-panjakana sy ny fiarovana (SINSE) sy ny Sampan-draharaha misahana ny Famotorana heloka bevava (SIC). Ny Mazaoron'ny Tafika Pedro Lussaty no ifantohan'ny tatitra, izay tsy mbola fantatry ny besinimaro hatreto. Tao amin'ny sampan-draharahan'ny fiarovam-panjakanan'ny filohan'ny Repoblika Angoley izy.
Tohin'ny andianà tatitra nataon'ny Fahitalavi-panjakana ao Angola (TPA) tamin'ny taona 2020 ny ankamaroan'ireo fandroahana ireo, mitondra ny lohateny hoe “O Banquete”, izay nampiharihary fa nanao kolikoly ireo mpanao politika malaza Angoley.
Kolikoly any Angola – YouTube: Fahitalavi-panjakana ao Angola, sary nalaina tamin'ny 9 Jona 2021
Niasa ho mpanampy ny sekretera jeneraly tao amin'ny sampan-draharahan'ny fiarovam-panjakanan'ny filohan'ny Repoblika i Lussaty. Notanan'ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Angola (PGR) izy taorian'ny nipoiran'ny tatitra fa mitana mangingina tranobe sy trano ary valizy maromaro misy vola dolara an-tapitrisany sy kwanza (vola Angoley) izy. Araka ny nolazain'ny TPA hoe:
Só em kwanzas, o suposto milionário tinha no apartamento 800 milhões de kwanzas. O País têm 30 milhões de habitantes e, com 800 milhões de kwanzas dava para pagar quase um salário mínimo à todos os angolanos.
Amin'ny kwanzas fotsiny dia manana 800 tapitrisa kwanzas ao an-tranony ilay olona voalaza fa mpanefoefo. Misy mponina miisa 30 tapitrisa ao amin'ny firenena ary efa saika ho ny karama farany ambany indrindra azo omena ny Angoley rehetra izany 800 tapitrisa kwanza izany.
Tao anatin'io lahatsoratra io ihany no nanambaran'ilay mpanefoefo fa tsy fantany ny tena sandan'ny vola azony . “Vao nahazo [vola] aho,” hoy izy. Nilaza ny tatitry ny TPA fa nanana vola betsaka noho ilay mpilalao baolina kitra Portiogey Cristiano Ronaldo i Lussaty, izay manana sanda mihoatra ny 500 tapitrisa dolara Amerikana.
Fanehoan-kevitr'ireo Angoley
Hatramin'ny nitaterana ity raharaha ity dia naneho ny fahatezerany tao amin'ny tambajotra sosialy ny Angoley. Misedra krizy lehibe amin'ny vidin-tsakafo any afovoan-tanàndehibe ny firenena, noho ny fiakaran'ny vidim-piainana, indrindra any amin'ny faritany atsimon'ny firenena. Izany no mitranga any amin'ny faritanin'i Cunene sy Huíla, ary koa ao an-drenivohitry ny firenena Luanda, izay misy fianakaviana ao anaty fahantrana tanteraka.
Izany no nahatonga ilay mpanao gazety Nok Nogueira nanao antso avo ho an'ireo Angoley handefa ny raharaha any amin'ny Fitsarana, mba hijerena izay tena mitranga ao Angola, araka ny nambarany tao amin'ny Facebook:
Deixem o caso Lussaty com a justiça. Desliguem ainda os televisores e perguntem-se como vai o País real, aquele que esta para além da encenação.
Alefaso any amin'ny fitsarana ny raharahan'i Lussaty. Vonoy ihany koa ny fahitalavitra ary manontania tena hoe manao ahoana ny tena Firenena, ilay iray ankoatra ny aseho sehatra.
Mandritra izany fotoana izany, nanoratra tao amin'ny pejy Facebook -ny i Tânia Campos, mpisera aterineto, fa raha tany Brezila no nisehoan'ity tranga ity dia nitarika hetsi-bahoaka ho an'ny Angoley izany, indrindra ny hitakiana ny fialan'ny antokon'ny fitondrana.
Um acontecimento como o caso Lussaty em rede pública, em outro País, por exemplo, no Brasil, estaríamos todos na rua a exigir a queda do MPLA.
Ny zava-mitranga toy ny raharaha Lussaty amin'ny tambajotra sosialy, any amin'ny firenena hafa, ohatra, any Brezila dia efa eny an-dalambe daholo isika rehetra mitaky ny fialan'ny MPLA.
Nisy ihany koa ireo mahita ny raharaha Mazaoro Lussaty ho ohatra iray fotsiny amin'ny zava-mitranga amin'ny raharaha maro hafa any Angola:
Essa história desse Major Lussaty está a deixar-me maldisposto, o mais ridículo é que o senhor foi investigado mas está bem pleno porque tem perfeita noção de que não lhe vão prender. Pior, ele não é o único que anda a desviar milhões no país. Angola merece melhor.
— PACIÊNCIA. (@oneligadenouz) June 2, 2021
Mankarary ny lohako ity tantaran'i Mazaoro Lussaty ity, ny zavatra mahatsikaiky indrindra dia ny fanaovana fanadihadiana azy saingy somary milamina satria mahalala tsara izy fa tsy hosamborina. Ny tena loza dia tsy izy irery no nanodinkodina vola an-tapitrisany tao amin'ny firenena. Mendrika ny tsara kokoa i Angola.
Mitovy amin'izany ihany koa ny fanehoan-kevitra nozarain'ireo mpisera hafa naneho hevitra momba ity raharaha ity:
Em Angola tem muitos corruptos e gatunos exclusivos, agora o atual caso da semana é o caranguejo do Major Lussaty.
Este caso está envolvido muitas patentes grande neste momento só estão a criticar o mesmo cadê os outros….?
— Carlos Estevão (@carlostestevao) June 3, 2021
Aty Angola, maro ny mpangalatra mpanao kolikoly sy manokana, ankehitriny ny fozan'i Mazaoro Lussaty no tranga amin'ity herinandro ity.
Ahitana trondro vaventy marobe ity raharaha ity amin'izao fotoana izao, mitsikera fotsiny fa aiza ny hafa….?
Kolikoly any Angola
Nanambara ny Tondro mampiseho ny kolikoly 2020 navoakan'ny Transparency International (TI) fa heverina ho iray amin'ireo firenena mpanao kolikoly indrindra eto amin'izao tontolo izao i Angola. Mitana ny laharana faha-142 ny firenena, manana isa 27, amin'ny 100.
Marihina fa tsy olana vaovao ny olan'ny kolikoly ao Angola. Raha ny marina, hita fa firenena mampanankarena mpanao politika akaiky ny mpitondra i Angola nandritra ny governemanta teo aloha, notarihin'i José Eduardo dos Santos nandritra ny 30 taona mahery.
Ohatra iray amin'izany ny zanakavavin'ny filoha José Eduardo dos Santos tamin'izany fotoana izany, Isabel dos Santos, izay voampanga ho nanao kolikoly nahatafiditra ny rainy sy ireo mpanao politika hafa tao amin'ny antoko Hetsi-bahoaka ho an'ny Fanafahana an'i Angola (MPLA), antoko nitantana ny firenena hatramin'ny nahazoany fahaleovantena.
Ankoatra izany, nanambara ny andiana tatitra antsoina hoe ‘ Luanda Leaks ‘ , navoakan'ny Fiaraha-misalahin'ireo Mpanao Gazety Mpanadihady (ICIJ) tamin'ny taona 2020, fa orinasam-panjakana maro any Angola no nampiasaina ho amin'ny tombontsoan'olona manokana nandritra ny roapolo taona nitantanan'ny filoha teo aloha dos Santos.
Taorian'ny tatitra sy ny fisamborana an'i Lussaty tamin'ny “Fihazana Foza” dia nanafaka madiodio ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny fiarovam-panjakana, Pedro Sebastião ny filohan'ny Repoblika ankehitriny, João Lourenço, noho izy voalaza fa voarohirohy tamin'ilay tantara ratsy.
Tsy mino ny olona sasany fa tsy hitovy amin'ny filoha teo aloha i João Lourenço raha hita fa nitana ny toeran'ny filoha lefitra izy rehefa nisy trangana kolikoly maro niseho tao amin'ny firenena.
Tsy mino mihitsy aza ireo Angoley fa hifarana ny kolikoly, araka ny notaterin'ny Deutsche Welle (DW) tamin'ny taona 2020.
“Mbola tsy misy fiantraikany amin'ny fiainan'ny mponina amin'ny faritra mahantra kokoa, izay mangataka vahaolana mivaingana amin'ny olana tsy misy fiafarany ny ady amin'ny kolikoly sy ny tsimatimanota, hoy ny DW, rehefa avy niresaka tamin'ny mponina ao Luanda.” |
https://mg.globalvoices.org/2021/06/19/153075/ | Misaona ny famonoana ilay mpanao gazety Espaniola tany Burkina Faso ireo mpanao gazety mpitatitra ady | 2021-06-19T04:33:10 | Unknown | David Beriain. Sary avy amin'ny TEDx UniversidaddeNavarra tao amin'ny Flickr. ( CC BY 2.0 )
Misaona ny famonoana an-dry David Beriain sy Roberto Fraile, mpanangom-baovao momba ny ady tany Burkina Faso , tamin'ny 27 Aprily ny asa fanaovan-gazety mpitatitra ady Espaniola. Vao haingana izy roalahy ireo no nahazo fankasitrahana avy amin'ny namany sy tamin'ny National Press Club ( Klioban'ny Gazety Nasionaly ) , izay nanolotra azy ireo ny Loka Iraisam-pirenena ho amin'ny Asa Fanaovan-gazety noho ny asany amin'ny maha mpanangom-baovao iraisam-pirenena azy ireo.
Nitatitra ireo fifandonana mitam-piadiana lehibe tany Sodàna, Afghanistan, ary Iràka i Beriain. Namoaka tatitra marobe momba ny kolikoly any Arzantina, ny fanondranana zava-mahadomelina ary ny ady tany Kolombia ihany koa izy. Fraile indray dia fantatra amin'ny asany amin'ny maha-mpaka sary azy ao Aleppo , Syria, izay naharatrany mafy teo am-pakana sary ireo miaramila mpikomy. Nitatitra ireo fifandonana mitam-piadiana isankarazany tany Libya, Iraka, ary Kosovo ihany koa i Fraile. Nanao tatitra momba ny fihazana antsokosoko tany Burkina Faso izy ireo no maty novonoina.
Nosamborina tany atsinanan'ny firenena ireo mpanao gazety, faritra iray izay nipoiran'ny fihenjanana sy ny tsy fandriam-pahalemana noho ny vondrona jihadista hatramin'ny nandraisan'i Roch Marc Christian Kaboré fahefana tamin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2015. Tsy natao tamin'ny vahoaka sivily ihany ny fanafihana fa tamin'ireo vondrona mpampihorohoro ihany koa. Anisan'ireo vondrona ireo ny Al Qaeda, ny Vondrona ho an'ny Fanohanana ny Islamo sy ny Miozolomana (JNIM), ny Fanjakana Islamika any Sahara Lehibe (ISGS), ary ny Ansarul Islam.
Manampy trotraka an'io olana io ny fahantran'ny vahoaka amin'ny ankapobeny, izay mivelona amin'ny fambolena ny 80% ary matetika no lasibatry ny fanafihana ataon'ireto fikambanan-jiolahy ireto.
Mampihorohoro ireo mpanao gazety avy amin'ny firenena Afrikana ity andiana herisetra ity, izay voafetra rehefa mandeha mamita ny asa fanaovan-gazety ataon'izy ireo. Toy izany ihany koa, maro no mijaly any am-ponja sy voampanga tamin'ny fanalam-baraka rehefa nitatitra momba ny toe-draharaha any Burkina Faso.
Ny Vondrona ho an'ny fanohanana ny Islamo sy ny Miozolomana (JNIM) no tompon'andrakitra tamin'ny famonoana ireo mpanao gazety Espaniola roa, hoy ny Minisitry ny Fiarovana Espaniola, Margarita Robles. Niaraka tamin'ny mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, ny ONG Chengeta Wildlife, ary ny fisafoana iraisan'ny tafika avy any Burkina Faso i Beriain sy Fraile. Araka ny fanadihadiana nataon'ny gazety Espaniola El Pais, dia voahodidina ny vondrona rehefa niditra tao amin'ny toby Al Qaeda, ary notifirina ho faty ireo tafajabaka.
Fraile no voalohany voatifitra, ary Beriain sy Rory Young , mpiaro ny tontolo iainana Irlandey sady mpanorina ny Chengeta Wildlife dia nandà ny handao ny naman'izy ireo. Araka ny fanadihadiana, tokony voavonjy tamin'ny fanafihana i Beriain saingy tsy nety nandao an'i Fraile, izay naratra mafy izy.
Ny zoma 30 aprily no tonga tao Madrid, Espaina tamin'ny fiaramanidina miaramila avy any Burkina Faso ny vatan'ireo mpanao gazety maty.
Maro ireo faritra aty Afrika no tena mampidi-doza ho an'ny mpanao gazety, izay efa nahitana famonoana mpanao gazety miisa zato mahery taty amin'ny kaontinanta Afrikana tao anatin'ny folo taona. Araka ny fanamarihan'ny Reporters Sans Frontières , na eo aza ny fiafaran'ny fitondrana didy jadona tato anatin'ny taona vitsivitsy, dia mbola asa andalam-pivoarana ny tsy fanasaziana ny asa fanaovan-gazety sy ny fanamafisana ny fiarovana ny mpanao gazety.
Mitana ny laharana faha 37 i Burkina Faso amin'ny Fanomezana Laharana Erantany Momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety taona 2021 nataon'ireo Reporters Without Borders, ao anatin'izany ny famonoana an'i Beriain sy Fraile izay hany maty tamin'ity taona ity tao amin'ny firenena Afrikana. Mifanohitra amin'izany, mitana ny laharana faha 173 ny fanjakana toa an'i Syria, any amin'ny faha 132 i Palestina, ary faha 165 i Libya.
Maneran-tany , mpanao gazety iraika ambin'ny folo sy mpiara-miasa olon-tsotra miisa efatra no maty tamin'ity taona ity, ary mpanao gazety miisa 324 hafa, mpanao gazety olon-tsotra miisa 102, ary mpiara-miasa miisa 13 no nogadraina.
Ao amin'ilay fanadihadiana, nidera ny fitiavana voarainy avy amin'ny namany sy ny fianakaviany i Beriain sy ny fahafahany manao an'io asa io, araka ny fiteniny manokana hoe “ an- kalalahana “, izay milaza fa efa nandindona ilay mpanao gazety ny fanambarana loza amin'ny fiafarany. |
https://mg.globalvoices.org/2021/06/23/153125/ | Feo any Angola sy Brezila manohana an'i Paortiogaly amin'ny Euro | 2021-06-23T03:41:08 | Unknown | Pikantsary avy amin'ny horonantsary “Manome ny zava-drehetra izahay” ( Vamos com Tudo ) tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Federasion'ny baolina kitra Portiogey.
Nanomboka ny 11 Jona, nampiantrano ny fifaninanana baolina kitra heverina ho iray amin'ireo lehibe indrindra ho an'ny ekipa ny kaontinanta Eoropeana taorian'ny fiadiana ny amboara erantanin'ny Klioba [FIFA].
Nahemotra tamin'ny taona 2020 noho ny valan'aretina COVID-19, atao amin'ity taona ity hatramin'ny 11 Jolay any amin'ny tanàndehibe maro any Eoropa ny Euro .
Mandray anjara indray i Paortiogaly amin'ny maha tompondaka azy, miaraka amin'ny fanantenana ny hamerina ny zava-bita tamin'ny taona 2016, rehefa nandresy an'i Frantsa.
Ho fanamarihana ny fiverenana amin'ny fifaninanana eo amin'ny ekipa dia nisy ny hira noraketina mitondra ny lohateny hoe “Manome ny zava-drehetra izahay ” (Vamos Com Tudo), ahitana ny fandraisan'ny mpanakanto avy any Portiogaly, Brezila ary Angola anjara. Efa nisy mpijery mihoatra ny iray tapitrisa sahady ilay horonantsary ao amin'ny YouTube.
David Carreira, mpanakanto Paortiogey, no namorona ny hira tamin'ny fomba ofisialy, izay ahitana ihany koa an'i Ludmilla sy Giulia Be (Brezila) ary Preto Show (Angola). Naneho ny fanohanany ireo mpanakanto telo ireo mba hivoahan'i Portiogaly ho mpandresy indray amin'ny baolina kitra Euro.
Manasongadina ny fifandraisan'ny firenena miteny Paortiogey sy ny fankalazana iraisana eo amin'ireo firenena ireo amin'ny fanantenana ny fandresen'i Paortiogaly ity hira ity:
Deixa o mundo saber que agora somos só um…
Que não existe impossível debaixo desse céu azul…
Tá no sangue, na língua, na pele, no coração…
Ampahafantaro an'izao tontolo izao fa iray isika izao fa tsy misy izany tsy azo tanterahana izany eto ambanin'ity lanitra manga ity Ao anaty ràntsika, ao am-bavantsika, anatintsika, am-pontsika
Nandefa hafatra tao amin'ny kaontiny Instagram i Preto Show mba hanehoana ny fireharehany ho mpanakanto tokana miteny Paortiogey misolo tena an'i Afrika izay nasaina mba handray anjara amin'ity hira ity.
Une publication partagée par Rock star ? ?? (@preto__show)
Tsiahivina fa tsy kisendrasendra no nivoahan'ity hira ity, satria fantatra fa mbola manana ny lanjany lehibe tokoa any amin'ireo firenena Afrikana miteny Paortiogey ny baolina kitra any Paortiogaly.
Ohatra, nankalazain'ny mpanohana azy tany Maputo (Mozambika) ny fandresen'ny Sporting , klioban'i Lisbon izay nibata ny tompondaka nasionaly taona 2021.
https://www.youtube.com/watch?v=3c7g7RfOptU
Ho valin'izay, ny klioban'ny Sporting ihany no nitarika fanentanana firaisankina ho fanohanana ireo olona nafindra toerana nandritra ny ady [mg] mitam-piadiana tany Cabo Delgado, avaratr'i Mozambika.
Hoje entramos em campo com ‘???? ???????’ inscrito nas costas das camisolas dos jogadores em vez dos seus nomes.
O objectivo é alertar e sensibilizar todos para os graves acontecimentos que têm afectado essa região de Moçambique. ? #DiaDeSporting pic.twitter.com/00ogjvk3Am
— Sporting Clube de Portugal ? (@Sporting_CP) May 15, 2021
Miditra an-kianja izahay androany miaraka amin'ny “Campo Delgado” misoratra ao ambadiky ny akanjon'ireo mpilalao ho solon'ny anarany.
Ny hanairana sy hanentanana ny tsirairay amin'ny zava-mitranga izay niantraika tamin'ity faritr'i Mozambika ity no tanjona.
Maneho ny fifandraisana misy eo amin'ny Angola, Brezila ary Paortiogaly ilay hira niara-notontosain'ireo mpanakanto miteny Paortiogey – hita mazava izany eo amin'ny kolontsaina fa ihany koa amin'ny fanatanjahantena. Teo anelanelan'ny taona 2001 sy 2008, nanazatra ny klioba Paortiogey ilay mpanazatra ara-teknika Breziliana Luiz Felipe Scolari ary laharana faharoa tamin'ny tompon-dakan'ny Euro 2004 izy ireo, ary tafakatra ampahefa-dàlana tamin'ny fiadiana ny amboara eran-tany 2006.
Tao anatin'izay taona faramparany izay dia marihina ihany koa fa nitana toerana lehibe teo amin'ny baolina kitra Breziliana ny mpanazatra Paortiogey. Nasehon'ilay [mpanazatra] an'i Lisbon Jorge Jesus ny ohatra tsara indrindra tamin'izany. Tamin'ny taona 2019, tsy nandresy fotsiny tamin'ny Copa Libertadores ihany i Jesus, fa tamin'ny tompon-daka Breziliana ihany koa amin'ny maha-mpanazatra ny klioba Flamengo azy.
Nahazoana tombony tamin'ny fanehoana ireo firenena miteny Paortiogey ireo ny fandresen'i Paortiogaly tamin'ny Euro, mariky ny firaisankina eo amin'ireo firenena ireo, araka ny filazan'ny mpanakanto ato amin'ity hira ity hoe “Tafaray amin'ny hira iray”.
Ankehitriny, fantatra fa olona mihoatra ny 280 tapitrisa no miteny Paortiogey manerantany. Antsoina hoe Vondro-pirenena miteny Portiogey (CPLP, Comunidade dos Países de Língua Portuguesa ), ahitana an'i Angola, Brazil, Cap Vert, Guinea-Bissau, Mozambika, Portiogaly ary São Tomé sy Principe ny vondron'ireo firenena miteny Portiogey ireo. |
https://mg.globalvoices.org/2021/06/12/152959/ | Ny ezaka ataon'ny mpikatroka hametrahana ny fiteniny Dagbani ho ao anaty sarintany nomerika | 2021-06-12T04:23:58 | Unknown | “ “Independence Arch – Accra, Ghana” avy amin'i George Appiah, nampiasana lisansa CC BY 2.0
Fanamarihan'ny tonian-dahatsoratra: Manomboka amin'ny 27 Aprily-3 May 2021, Mohammed Sadat Abdulai no handray ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang izay manadihady ny fomba fampiasana ny teknolojia hamelomana aina ireo fiteny Afrikana. Vakio bebe kokoa eto ny momba ny fanentanana.
Ny Côte-de-l’Or , antsoina hoe Ghana ankehitriny no fonenan'ny karazana fiteny samihafa, izany hoe maherin'ny 46, raha ny marina. Anisan'ireny ny Dagbani, antsoina hoe Dagbanli, izay iray amin'ny fiteny Gur ampiasaina any amin'ny faritra sasany any Afrika Andrefana. Ny fiteny Gur dia anatin'ny sokajy misy ny fiteny Nizeria-Kongo any Afrika atsimon'i Sahara.
Ghaniana avy any Dagbonba monina any Alemaina i Mohammed Salat Abdulai. Liana amin'ny mba hahitana ny fitenindrazany Dagbani amin'ny aterineto izy.
Ny mpitantana ny Global Voices Lingua Yorùbá, Adéṣinà Ọmọ Yoòbá, no niantsafa tamin'i Mohammed mba hahalalany ny ezaka ataony hametrahana ny fitenindrazany eo amin'ny sarintany niomerika.
Adéṣinà Ọmọ Yoòbá (AOY): Azonao atao ve ny milazalaza aminay momba anao?
Mafana fo amin'ny teny Dagbani, Mohammed Salat Abdulai. Sary nahazoana alàlana.
Mohammed Salat Abdulai (MSA) : I was born in Tamale , Ghana, but currently live in Berlin, Germany. I’m passionate about the value and potential of open knowledge to change the world. At the heart of that dream, I think that a good representation of languages, mostly those that are currently underrepresented in digital spaces, is needed to actualize that potential.
Mohammed Salat Abdulai (MSA) : Teraka tany Tamale , Ghana aho, saingy monina any Berlin, Alemaina. Tena liana tanteraka amin'ny soatoavina sy ny lanjan'ny fahalalàna misokatra hanovana an'izao tontolo izao aho. Ao ambadik'io nofinofy io dia heveriko fa ilaina mba hanatanterahana io zava-dehibe io ny fanehoana tsara ny fiteny, indrindra ireo izay tsy dia aseho amin'ny sehatra ankihihihy (dizitaly).
AOY: Manao ahoana ny toerana misy ny fiteninao ivelan'ny aterineto ankehitriny, sy amin'ny aterineto ihany koa ?
MSA : Ampiasaina tsara ny Dagbani amin'ny maha-fiteny azy, raha mbola maro ny mampiasa izany miaraka amin'ny ray aman-dreny miteny io fiteny io any an-tokantrano. Na izany aza, an-tserasera, tsy dia mahavelom-panantenana loatra ny zava-misy. Na dia ampianarina any an-tsekoly aza ny Dagbani, manomboka amin'ny ambaratonga voalohany ka hatramin'ny ambaratonga ambony dia vitsy dia vitsy ny loharano an-tserasera amin'ny teny Dagbani.
MSA : hitako ny tena fahalianan'ireo olona maniry hanampy ireo fanentanana hampiroborobo ny famoronana votoaty amin'ny teny Dagbani. Ohatra, amin'ny sehatra toa ny Wikipedia izay mandrisika ny famoronana votoaty amin'ny fiteny Dagbani, dia mbola ilaina ny fahalalana kely ara-teknika mba ahafahana mandray anjara mavitrika sy manoratra lahatsoratra. Ankehitriny, noho ny sakana lehibe amin'ny rafitra toy ny halafon'ny rindrambainga fanitsiana angondrakitra dia manakivy ny olona izay manana fandraisana anjara manandanja io sakana io. Ny fanamby iray hafa tsapako dia mbola any am-pelatanan'ireo olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny ankamaroan'ny fahaizana ilay fiteny, ary noho izany dia misy ny tsy fifandraisana eo amin'ireo mahay mamorona votoaty (anefa tsy manana ny fahaizana ilay fiteny) sy ny olona mahay ilay fiteny (fa tsy ampy ny fahaizana ara-teknika), mba ifandraisana. Miara-miasa sy miasa miaraka.
MSA : Fampahafantarana, fampahafantarana ary fampahafantarana. Betsaka ny làlana manome sehatra hamoronana votoaty amin'ny fiteny Dagbani, saingy tsy fantatry ny olona izany. Tokony hanana tanjona amin'ny fanombohana ny fampahafantarana ireo teknolojia nomerika amin'ny tsy fitenin'ny fanjanahan-tany amin'ireo ankizy mbola tanora ihany koa ireo ivontoeram-panabeazana , mba hamantaran'izy ireo fa manana ny toerany amin'ny sehatra nomerika an-tserasera ny fitenin-dry zareo indizeny.
MSA : Misy zavatra izay tsy haiko ny milaza azy mora amin'ny fiteny hafa fa haiko kosa amin'ny fitenindrazako. Koa raha ho an'ny tontolo idealiko, ny fanehoana fiteny maro an-tserasera no fomba iray ahazoana antoka fa voafehy sy voatahiry tsara ny fomba samihafa rehetra hahitan'ny olona samihafa an'izao tontolo izao. |
https://mg.globalvoices.org/2021/06/06/152901/ | Ireo tantara sangany tato amin'ny Global Voices niresahana ny fahamaroam-piainana, raha eo am-pankalazàna ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana izao ny planeta | 2021-06-06T06:16:00 | Unknown | Zanaka fano valozoro vao foy tao amin'ny Back Bay, Tobago, 2010, handeha hamonjy ny ranomasina. Sary an'i Ryan P. Mannette, tolotra am-pitiavana avy amin'ny SpeSeas, fampiasàna nahazoana alàlana.
Ny 5 Jona no manamarika ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana , andro nosafidian'ny Firenena Mikambana tamin'ny 1972 ho fanairana ny sain'izao tontolo izao momba ny maha-iankinan'ny aina ny tontolo iainana.
Nandritra ny taona marobe, tena nanao tatitra betsaka momba ny olan'ny tontolo iainana ny Global Voices, ary iray amin'ireo nifantohan'ny tantara tato aminay ny resaka fahamaroam-piainana (biodiversity), tondro iray tena fototry ny maha-iray tsy mivaky ny tontolo. Ny toerana misy ny fahamaroam-piainana ao anatin'ny rohivoahary (ecosystem) no fandrefesana ny fahasalamany, ary ny fihenan'ny fahamaroam-piainana dia fanairana miampita amin'ny tokony hilàn'ny fiarahamonina mandray fepetra mba hialàna amin'ny hamaroana tafahoatran'ny mponina, ny fitrandrahana tafahoatra ary ireo singa marobe hafa mitondra fiovàn'ny toetrandro .
Maro amin'ireo tantara ato amin'ny Global Voices no manasongadina ny lanja mavesatry ny fahamaroam-piainana sy ireo fanamby ary zavabita marobe vita mifandraika amin'ireny ezaka ireny nanerana izao tontolo izao. Hatreto, ireto ny vitsivitsy izay nahasarika indrindra ny saina tamin'ity taona ity:
Manana 69 karazana tantely i Jamaika izay tena loharanombola ho an'ireo mponina ao amin'ilay nosy. Ireo Jamaikàna mpikatroka mpiaro tantely dia manao fanentanana koa mba hametrahana habaka maitso maromaro kokoa ao Kingston renivohitra, ho fanampiana hampitomboana ny fahamaroam-piainana ao anatin'ny firenena iray izay tena tandindonindoza amin'ny fiovàn'ny toetrandro.
Na malemy na mafy lamosina, ireo fano (sokatra) ao dia andry iray ianteheran'ny sehatry ny zahavoary (ecotourism) ary mandray anjara amin'ny fahamaroam-piainana. Saingy tandindonindoza daholo izy rehetra amin'ny lafiny iray – hazaina noho ny henany, ny atodiny ary ny lamosiny, no sady tena marefo manoloana ireo fako plastika sy ny fiovàn'ny toetrandro.
Ny 20 May no Andro Erantany ho an'ny Tantely . Miha-tandindonindoza mandrakariva noho ny fampiharana fambolena voly tokana sy ny fanafody simika famonoana bibikely ny tontolo voajanahary onenan'ny tantely, nefa raha tsy afaka hanatontosa ny andraikitra maha-mpitatitra vovobony azy izy ireo, tsy ho azo antoka ny fahazoana sakafo. Mametraka fanamby ihany koa amin'ny fitohizan'ny fahaveloman'ny tantely ny fisian'ilay valanaretina, satria mety hànana fahasahiranana ireo mpiompy miaina anaty fihibohana, tsy afaka mivoaka noho ny fisian'ny fanomezandàlana manokana ho afaka mivezivezy amin'ny alina mba hanao ny fitsaboana ny tohotra, izay matetika dia ny alina no fanaovana azy.
Ao Nepal, ny fisian'ilay sakadia fantatra amin'ny anarana hoe “sakadia mpanjono” dia milaza fa tena mitàna anjara toerana goavana amin'ny fitazonana ny fahasalaman'ny rohivoahary tokoa ny faritra mando. Saingy tandindonindoza ankehitriny ny fifandrohizana manontolon'ny rohivoahary any anatin'ireo faritra mando ao Nepal noho ny fandotoana, ny fandritana ary ny fanjonoana tafahoatra, hatramin'ny fihazàna ireo sakadia mpanjono aza.
Vaovao mahavelom-panantenana avy any Nepala, noho ny hetsika iadiana amin'ny fihazàna sy ireo fepetra momba ny zahavoary, nitombo be ny isan'ireo Rhinos any an-toerana.
Azo hamafisina amin'ny alàlan'ny teknolojia ny fiarovana / fitahirizana ny biby: izany no hevitra ao ambadiky ny tetikasa Motus izay mampiasa ny fanarahamaso avy lavitra sy mibaiko tena ny fifindramonin'ireo vorona, ramanavy ary bibikely.
Ao Kamerona, tsy faritra misy fahamaroam-piainana fotsiny ny ala, fa koa toerana masina ho an'ireo rajako ary toerana fandevenana ho an'ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana. Noho io antony io, msy fiantraikany goavana, na ho an'ny olombelona, na ho an'ireo biby any amin'ireny faritra ireny, ireo tetikasa fikapàna ala. |
https://mg.globalvoices.org/2021/06/07/152926/ | Naato ny tetikasa iray nomena alàlana hanao fitrandrahana ao amin'ilay Ala Ebo manankarena biolôjika ao Kamerona, saingy mbola marefo ihany ilay faritra | 2021-06-07T03:22:21 | Unknown | Ny tontolo tazana ery amin'ny tampon'ny ala EBO, Janoary 2021. Sary an'i Ekonde Daniel, fampiasàna nahazoana alàlana.
[Raha tsy asiana fanamarihana manokana, dia mankany amina pejy amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra ao anaty lahatsoratra.]
Faritra iray manana karazana biôlôjika marobe ny ala EBO ao Kamerona, mampiantrano zavamaniry maro sy ireo babakoto efa tandindonim-paharingànana , ao anatin'izany ireo hany sisa tavela amin'ireo rajako fantatra eto an-tany fa mahay mamaofy voanjo sy misikotra vitsikazo amina fitaovana.
Tamin'ny Jolay 2020, nandray fanapahankevitra ny governemanta kameroney ny hanao ny ala Ebo, izay mivelatra amina velarana 141.706 hektara, ho isan'ny Forest Management Unit (FMU) – Ampahan'Ala Tantanina – ary nankatoa faritra iray ho fitrandrahana aty ala tao amin'io faritra io. Herinandro maromaro taty aoriana, ny Aogositra 2020, zavatra nahafaly indrindra ireo mpiaro tontolo iainana izay nanohitra io tetikasa io [pdf], nofoanan'ny governemanta ilay fanapahankevitra, tamin'ny namoahany didim-pitondràna iray milaza fa naato ilay fanomezandàlana fitrandrahana ala .
Nahafaly mponina marobe tao an-toerana ihany koa io fanapahankevitra io.
« Raha manapaka hevitra ry zareo [governemanta] ny haka ny ala nefa tsy mifampiresaka aminay, dia hankany an'ala izahay ary hivadika ho mpikomy [fr] », hoy ny lehibe Dekath Moise Nguile tamiko. « Ho ataonay izay miseho any Bamenda », hoy izy nanampy, miresaka momba ilay tanàna iray any amin'ny faritra mikorontana ao avaratra-andrefan'i Kamerona.
« Milevina ao ny ray aman-dreninay! »
Nanaraka an'i Nguile, mpitarika iray ao an-toerana, aho tany anatin'ny ala Ebo, làlana naharitra ora enina teo ho eo miala an'i Douala, renivohitra ara-toekarena ao Kamerona.
« Ao, manana hazo ianao, babakoto sy rajako – milevina any ny ray aman-dreninay. Ny ady no nanosika anay ho aty amin'ity toerana ity », hoy ny nambaran'i Nguile momba ilay faritra fonenana ipetrahan'ireo mponina am-bohitra ary ananany trano iray rahateo. « Manana ny toerana masina ho anay izahay any, ka rehefa misy ny olana dia mandeha any izahay mivavaka. »
Tamin'ny fahatongavany tao Douala, renivohitra ara-toekaren'i Kamerona, tafahaona tamina vehivavy iray avy amin'ny iray amin'ireo foko tao an-tanàna i Dekath Nguile. Sary an'i Ekonde Daniel, fampiasàna nahazoana alàlana.
Niara-dia tamin'i Nguile aho nandritra ny iray amin'ireo fitsidihana marobe ataony tsy tapaka any an'ala, toerana misy ihany koa ny vohitry ny razambeny, iray amin'ireo vondrom-piarahamonina miisa 40 ao amin'ny faritra.
Tamin'ny fahatongavanay atao amin'ny vondrom-piarahamonina iray, nihaona tamin'ny mpitarika Emmanuel Belema izahay, mpitarika vondrom-piarahamonina, manaha voana kakaô eo anoloan'ny tranony teo amoron'ny ala Ebo. Tao amin'ny fampielezampeo, fifandraisany amin'ny tontolo ivelany, no ren'i Belema ilay fanapahankevitra tamin'ny Jolay 2020 hoe hanokafana ilay ala ho amin'ny fitrandrahana.
Emmanuel Belema, lehibe mpitarika vondrom-piarahamonina, manaha kakaô eo anoloan'ny tranony. Sary an'i Ekonde Daniel, fampiasàna nahazoana alàlana taminy.
« Miandry ny fitsidihan'ny governemanta izahay. Alohan'ny hitrandrahana ny ala, tokony nilaza taminay izay homeny anay ry zareo. Raha tsy misy na inona na inona hanampiana anay, dia tsy hainay izay ho valiny asetrinay azy ireo», hoy i Belema tamiko.
Vinavinan'i Belema ny hoe ireo vato nasondrontry ny tany avy ao amin'ny vohitra misy azy, ary mipetraka amin'izao fotoana izao « any amin'ireo tanàndehibe ao Douala sy Yaoundé » no tompon-kevitra tamin'ny fifanarahana niarahana tamin'ny governemanta mba hikapàna ny ala ho an'ny sehatry ny indostria. « Nefa izahay no mpiambina ity ala ity », hoy izy, talohan'ny nitsaharany kely. « Mampiahiahy anay izany. Tsy hahafaly anay raha izany no mitranga. »
Na fitrandrahana volamena io na fikapàna ala, efa hatry ny ela ireo orinasa nahazo fanomezandàlana no nisedra fanoherana avy amin'ireo mponina any anatin'ny faritra nahazoan-dry zareo alàlana hotrandrahana. Ny antony amin'ny ampahany dia noho ireo fampanantenana fanajariana maharitra tsy misy voatazona mihitsy. Fanampin'izany koa ireo fiampangàna fakàna tany sy ny fandotoana ataon'ilay vondrona mpandraharaha frantsay Bolloré any amin'ny faritra amorontsiraka ao Kamerona, ary ireo fifandonana tsy tapaka misy eo amin'ireo shinoa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany sy ireo mponina ao amin'ny faritra atsinanana, manankarena amin'ny volamena.
Toa an'i Nguile, tsy ny vohitra nahaterahany akory ilay faritra ipetrahan'i Belema. Nipetraka ao amin'ity faritra ity ry zareo, izay misy vondrom-piarahamonina iray ahitàna olona 200 eo ho eo, noho ny ady anaty akata nisy 50 taona lasa izay .
Ny tarik'i Nguile koa dia isan'ireo nizaka ny mangidy tamin'ny fanesorana an-tery tany amin'ny taona 1960 tany ho any, rehefa niady tamin'ny rantsana mpihoko avy amin'ny Union des populations du Cameroun ( UPC ) ny governemanta tao Kamerona. Satria niafina tany anaty kirihitra ireo mpikambana avy amin'ny UPC mba hahafahany manatontosa tsara ireo hetsika tselatra nataon-dry zareo, dia nasain'ny Fanjakàna niala ireo mponina tao amin'ilay faritra.
Fahamaroam-piainana tokamiavaka
Tamin'ny Janoary 2021, mihoatra ny olona 200 no monina eny amoron'ny alal Ebo. Sary an'i Ekonde Daniel, fampiasàna nahazoana alàlana.
Tamin'ny Febroary, niresaka an-telefaona izaho sy ny Dr Ekwoge Abwe, mpikaroka ao amin'ny Fandaharanasa misahana an'i Afrika Afovoany ho an'ny Ala Ebo, ao anatin'ny valam-biby ao San Diego, ary izy no nanazava tamiko fa « Ebo dia raisina ho toy ny velaran'ala midadasika ao anatin'ny faritra manana fahamaroam-piainana avo dia avo ao amin'ny hoalan'i Ginea ».
Nanomboka ny 2002 i Abwe no miasa ao amin'ilay ala. Tamin'ny 2005, ny andiany iray nisy azy, nahitàna olona 13 hafa mpikaroka, nahita tao andiana rajako marobe an'i Kamerona sy Nizerià. Rajako voasokajy ho « ireo tena tandindonin-doza, zara raha misy 3.500 hatramin'ny 9.000 no sisa miaina ny fiainana anaty ala ».
Nambaran'i Abwe tamiko fa misy babakoto manodidina ny 1.000 eo ao Ebo, izany hoe 1/9 amin'ny isan'ireo hita manerantany. Fa ny tena mampiavaka an'ireo babakoto ao Ebo, hoy ny fanamarihan'ilay mpikaroka,dia ny zavamisy hoe « ireo no hany babakoto mampiasa fitaovana hamakiany voa sy rehefa misikotra vitsikazo ».
« Manao ny iray na ny iray amin'ireo ny andiany hafa, saingy izy roa dia samy ampiharin'ireo ao Ebo avokoa, mahatonga ilay ala ho faritra iray tena faran'izay miavaka», hoy i Abwe, tamin'ny fanamarihana ihany koa fa hatramin'ny 2005, 28 no karazan-javamaniry vaovao hita fa « tsy misy raha tsy ao amin'ilay ala irery ».
Na eo aza ny fananany zavamananaina maro sy ny hoe mitazona entona karbôna milanja 35 tapitrisa taonina ilay faritra, mbola misababaka ihany ny governemanta kameroney momba ny fanondroana azy ho toy ny valanjavaboarim-pirenena, fangatahana iray nataon'ireo mpikatroka mpiaro tontolo iainana hatramin'ny 2005..
« Vitsivitsy ihany amin'ireo antony narosonay teo anoloan'ny governemanta ireo », hoy i Abwe tamiko. « Ny fitadiavana fomba hafa hampidirana vola sy amin'ny fomba maharitra ho an'ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana no tokony hosaintsainintsika fa tsy ny hitrandrahana io faritra io. »
Kanefa, ny lanjan'ny famokarana hazo ao anatin'ny fandraharahana ara-toekarena kameroney sy ny fitomboan'ny fampiasambola amin'io sehatra io, izay tany aloha tany nobodoin'ireo Eorôpeàna, saingy ankehitriny dia fehezin'ireo orinasa shinoa [pdf], dia tsy afaka iantohana velively ny tsy hahatohina an'i Ebo.
Tamin'ny Jolay 2020, tsy lavitra ny fotoana nanaovana ny fanambaràna voalohany, nilaza ny ministera kameroney misahana ny ala sy ny fiainan'ny bibidia fa efa nikajy mihoatra ny avo roa heny amin'ny 12% faritra rakotra ala takian'ny Firenena Mikambana ary tsy ny hazo rehetra ao amin'ny ala Ebo akory no hotapahana. Nandeha tany amin'ny ministera kameroney misahana ny ala sy ny fiainan'ny bibidia aho ny 25 Febroary mba hamantatra raha toa ka misy vintana ihany ny hisokafan'ilay ala amin'ny fitrandrahana indostrialy aoriana ao. Tsy nahita olona aho na iray aza vonona ny hanao fanambaràna ofisialy.
Hatramin'ny nampiatoan'ny governemanta ilay fikapàna ala, tsy mbola nisy hatreto ny fanambaràna ofisialy nataony. « Ireny olona ireny, izay azoko antsoina amin'ny hoe vorona mpihinana faty, dia mitady mandrakariva ny hanafoanana ilay fampiatoana », hoy i Abwe.
Mandra-pilaza an'i Ebo ho faritra arovana, dia mitoetra mandrakariva ho lasibatra iray azo tratrarina io ala io ho an'ireo izay mikatsaka ny hitrandraka ny hareny ao aminy.
Nandray anjara tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity i Boris Karloff Batata. |
https://mg.globalvoices.org/2021/05/18/152563/ | Naaton'ny fanjakana ao Angola ny fandaharan'ny TV Record | 2021-05-18T05:03:13 | Unknown | Pikantsarin'ny fahitalavim-panjakana ao Angola / YouTube – 19 Aprily 2021
Nomen'ny governemanta Angoley baiko ny TV Record Africa hampiato ny asany ao amin'ny firenena ny 19 Aprily, noho ny tsy fanarahan-dalàna hoy izy ireo.
Tamin'ny fanambarana ofisialy no nanamarinan'ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra, ny Teknolojiam-baovao sy ny Serasera ara-tsosialy (MINTTICS) ny fampiatoana ilay orinasam-pahitalavitra Breziliana noho ny antony fa “tsy teratany” ny talen'ny mpanatanteraka mitantana azy.
Nolazainy ihany koa fa “tsy nahazo fankatoavana na alàlana ao amin'ny Ivotoerana fanaovan-gazety Aníbal de Melo” ny mpanao gazety vahiny ao amin'ny orinasa.
Araka ny tombana nataon'ny Minisitera dia fantatra fa misy gazety, gazetiboky ary onjam-peo voasoratra ao amin'ny firenena, saingy tsy tena miasa.
Nihatra tamin'ny 21 Aprily ny fampiatoana ary haharitra mandra-pahatongan'ny baiko vaovao araka ny fanambarana.
Em 19/04/2021, a Record TV Africa foi surpreendida com um comunicado da Direção Nacional de Informação e Comunicação do Ministério das Telecomunicações, Tecnologias de Informação e Comunicação Social (“MINTTICS”).
Tamin'ny 19/04/2021, gaga ny Record TV Africa tamin'ny fanambarana nataon'ny Sampan-draharaha Nasionaly misahana ny Fampahalalam-baovao sy ny Serasera avy amin'ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra, ny Teknolojiam-baovao sy ny Serasera ara-tsosialy (“MINTTICS”).
Niasa tao Angola nanomboka ny taona 2005 ny Record TV Africa ary manana mpiasa mivantana sy ankolaka miisa 73 amin'izao fotoana. Mampahafantatra ny besinimaro, ny mpiara-miasa aminy ara-barotra ary indrindra ny mpijery isan'andro an'arivony ny Record TV Africa, amin'ny fanajana tanteraka ny lalàm-panorenana sy ny lalàna Angoley. Record TV Africa, izay efa ary mbola manaraka ny lalàna nandritra ny 15 taona mahery tany Angola sy manerana ny kaontinanta Afrikana, dia hangataka fanazavana momba ireo voalaza fa tsy fanarahan-dalàna miaraka amin'ireo sampan-draharaha mpanara-maso.
Nifanojo tamin'ny fotoana nampafana ny tsikera tao amin'ny firenena momba ny fisian'ny Église Universelle du Royaume de Dieu , tompon'ny TV Record any Brezila ny fanapahan-kevitry ny governemanta Angoley.
Nanomboka tamin'ny taona 2017 , niampanga ny fiangonana Breziliana ho nanao kolikoly, nampijaly ary nanavakava-bolonkoditra ny pastera Angoley.
Tamin'ny volana Jolay 2020, nisy fanangonan-tsonia navoaka hanoherana ny herisetra ataon'ireo pasitera sy eveka Breziliana ao Angola, ary efa nahatrara 100 000 sahady ny isan'ny sonia.
Mikasa ny hanome anarana hafa ho an'ny Église universelle, ho an'ny Angoley manokana, misaraka amin'ny fitantanan'i Brezila, sy mba hialan'ity farany tanteraka ao amin'ny firenena ny vondronà pasitera Angoley. |
https://mg.globalvoices.org/2021/05/25/152657/ | Niteraka fihetsiketsehana ny fankatoavana ny tombontsoa ho an'ny mpiasan'ny antenimieran'ny Repoblika any Mozambika | 2021-05-25T04:24:48 | Unknown | Nankatoa ny tombotsoan'ny parlemantera ny parlementa. Pikantsary: Televisão STV.
Tamin'ny 5 Mey, nanambara ny fankatoavana ny tombontsoa ho an'ny parlemantera ny Parlemanta Mozambikana , izay niteraka resabe tao amin'ny firenena satria efa nandritra ny roa taona izay no tsy nisy fanitsiana ny karama farany ambany indrindra.
Ahitana ny fandoavana ny saram-pialantsasatra sy vidin-tsakafo ary fanampiana amin'ny fividianana akanjo mihaja ny tombontsoa vaovao. Tsy misitraka ireo tombontsoa ireo ny mpiasam-panjakana Mozambikana hafa raha ny voalazan'ny Sata Mifehy ny Mpiasam-panjakana (EGFAE).
Manan-jo hifindra asa hafa tsy mila mandalo fanadinam-panjakana ihany koa ny mpiasam-panjakana ao amin'ny Antenimieran'ny Repoblika.
Notsikerain'ny Mozambikana marobe ny vaovao. Ny mpianatry ny oniversite sasany aza dia nanao fihetsiketsehana an-dalambe mihitsy, saingy nosakanan'ny polisy teo an-toerana:
Onde eu queria estar hoje cedo ✊?✊?✊?✊?✊?✊?✊?
Parabéns a todo/as jovens que foram à rua manifestar
Pátria amada, vamos vencer ?? pic.twitter.com/irf3GFORWB
— Aly Caetano (@Aly_Caetano) May 11, 2021
Ilay toerana tiako hahatongavako vao maraina anio. ✊?✊?✊?✊?✊?✊?✊?
Miarahaba an'ireo tanora rehetra nidina an-dalambe hanao fihetsiketsehana
Ry firenena malala, handresy isika.
Nitarika ny fisamborana tovolahy iray izay navotsotra rehefa afaka ora vitsivitsy ny fihetsiketsehana, tranga izay niteraka hatezerana hafa tao amin'ny tambajotra sosialy:
Não era um grupo de marginais pretendendo vandalizar alguma instituição pública ou privada.
Eram jovens fazendo uso de um direito que lhes é inerente pelo simples facto de serem pessoas. O direito a manifestação é um direito fundamental. #liberdadeparaValdo pic.twitter.com/3sFBjStAkX
— Ignatius? (@cutee_ducking) May 11, 2021
Tsy vondron'olona voahilikilika nikasa hanimba ny orinasam-panjakana na tsy miankina amin'ny fanjakana.
Fa tanora nampiasa ny zony noho ny maha-olona azy ireo. Zo fototra ny zo hanao fihetsiketsehana.
Tamin'io andron'ny fihetsiketsehana io ihany, nisy fanangonan-tsonia natao ho an'ny daholobe nanaovana fitakiana tany amin'ny Parlemanta hanafoanana ny fankatoavana ireo tombontsoa ireo:
#PETIÇÃO CONTRA A APROVAÇÃO DE #DIREITOS E #REGALIAS DO FUNCIONÁRIO E AGENTE PARLAMENTAR
Terça-feira | 11 de Maio de 2021 09H30 | Em frente à Assembleia da República pic.twitter.com/UpXsJUdiek
— FMO (@FMO_Moz) May 10, 2021
FILAZANA HO AN'NY HAINO VAKY JERY FANANGONAN-TSONIA HANAFOANANA NY FANKATOAVANA NY ZO SY NY TOMBONTSOAN'NY MANAMPAHEFANA SY NY MPIASAM-PANJAKANA PARLEMANTERA Talata 11 Mey 2021 9:30 maraina | Manoloana ny Antenimieran'ny Repoblika
Taorian'izay dia nanapa-kevitra hanemotra ny adihevitra momba ny sata vaovaon'ireo mpiasam-panjakana amin'ny daty tsy voafaritra ny Parlemanta Mozambikana.
Zava-dehibe ny manamarika fa tamin'ny herintaona, nandritra ny firongatry ny COVID-19 tany Mozambika dia nitsikera ny Antenimieran'ny Repoblika ihany koa ny vahoaka noho ny fankatoavana ny tetibola ahitana fandoavana “ampahambola iverenana amin'ny asa teo aloha” rehefa tapitra ny fe-potoana hiasan'izy ireo.
Tamin'ny taona 2014, nolaniana ny lalàna milaza ny fanomezana tombontsoa manokana ho an'ny Filohan'ny Repoblika sy ny solombavambahoaka rehefa tapitra ny fotoam-piasan'izy ireo, izay nitarika ny fanokafana pejy fanoherana tao amin'ny Facebook antsoina hoe “ Solombavambahoaka be haingintraingitra .” Nivadika ho fihetsiketsehana an-dalambe ny hetsika tamin'izany fotoana izany. |
https://mg.globalvoices.org/2021/04/27/152411/ | Mampiharihary ny hantsana eo amin'ny manankarena sy ny mahantra ny savoritaka amin'ny fampanaovana vakisiny COVID-19 ao Kenya | 2021-04-27T04:53:11 | Unknown | “Zava-dehibe ny fampahalalana sy ny fanentanana mba hisorohana ny fihanaky ny COVID-19. Eto Kenya, manentana ny vondrom-piarahamonina amin'ny COVID-19 ireo mpiasan'ny fahasalamana. Sary: Victoria Nthenge” avy amin'i Trocaire araka ny lisansa CC BY 2.0
Ny fanaovam-bakisiny COVID-19 any Kenya dia voakorontan'ny fiampangana sisi-bola, ny fisongonan-daharana ary ny kolikoly izay nahatonga ny olom-pirenena mahantra sy antitra hanao filaharana lava any ivelan'ny hopitalim-panjakana na dia miady amin'ny onjan'aretina fahatelo aza ny firenena.
Mandritra izany fotoana izany, mandoa vola hatramin'ny $ 100 ireo Kenyana an-jatony mahafantatra olona ambony hahazoana vakisiny mialoha, araka ny rakitra an-tsoratry ny kaontin'ireo Kenyana vavolombelona sy ny tati-baovao Kenyana sy iraisampirenena.
Mandray daozim-bakisiny AstraZeneca 1M i Kenya
Tamin'ny fiandohan'ny volana marsa dia nahazo daozy vakisiny navoakan'ny Oxford antsoina hoe AstraZeneca mihoatra ny 1 tapitrisa i Kenya tamin'ny alàlan'ny hetsika COVID-19 Vaccines Global Access, tetikasa fizarana vakisiny manerantany notohanan'ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana fantatra amin'ny COVAX. Ny fanaterana (fahatongavana) no nanamarika ny fanombohan'ny fanentanana hanomezana vakisiny maimaimpoana any amin'ny hopitaly miankina sy tsy miankina voafantina. Nozaraina dingana telo ny fanomezam-bakisiny: ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana sy tompon'andraikitra amin'ny filaminana sy ny fifindra-monina, olom-pirenena mihoatra ny 58 taona sy olon-dehibe manana toe-pahasalamana manokana, ary ny olom-pirenena marefo toy ireo mitoetra amin'ny fonenana tsy [manara-penitra]. Vonona handray daozy 24 tapitrisa amin'ny alàlan'ny COVAX ny firenena. Mikasa ny hanao vakisiny ny 50 isanjaton'ny mponina hatramin'ny volana Jona 2022 amin'ny alàlan'ny fiarahan'ny vaksinin'ny COVAX sy fanomezana avy amin'ny firenen-kafa, hoy ny tatitra nataon'ny The Washington Post.
Tamin'ny fanambarana an-gazety dia nankalaza ny fahatongavan'ireo vakisiny voalohany tany Kenya i Maniza Zaman, solontenan'ny UNICEF any Kenya. “Amin'ny fahatongavan'ireto vakisiny ireto, ny UNICEF sy ny mpiara-miombon'antoka dia manaja ny fampanantenan'ny fanamorana COVAX mba hiantohana ny olona avy amin'ny firenena tsy dia manankarena tsy ho avela irery amin'ny fanomezana vakisiny fanavotana aina azy ireo”, hoy izy.
Saingy, nirodana ity dingana fanomezana vakisiny mizara telo novolavolaina fatratra ity raha vantany vao nanomboka ny fampiharana noho ny fanapahan-kevitry ny governemanta tamin'ny minitra farany hanafaingana ny dingana faharoa hiatrehana ny onja [andia] fahatelo, izay nampisy fifandroritana noho ny tombontsoa politika, ary ny tsy fahombiazan'ny fanjakana manontany sy mampahafantatra ny olom-pirenena.
Politicians loudly and self-servingly argued that they should be given priority to inspire confidence among the population, even though the Ministry of Health was reporting encountering little resistance. Because the state had ignored the need to explain its plan to the population, there was widespread confusion about where and when people were expected to be in line.
Nitaky mafy sy ho ren'ny rehetra ny mpanao politika fa ry zareo no tokony homena laharam-pahamehana hampisy ny fitokisan'ny vahoakavahoaka, na dia notaterina aza fa nahitana fanoherana kely tao amin'ny minisiteran'ny Fahasalamana. Satria tsy nivaky loha ny fanjakana amin'ny tokony hanazavana ny drafitra nomeny ny mponina, dia nisy ny fisafotofotoana na taiza na taiza amin'ny toerana sy ny fotoana hilaharan'ny olona.
Na teo aza ny toromarika avy amin'ny governemanta manao ho laharam-pahamehana ny olom-pirenena mihoatra ny 58 taona , nitatitra ny fampahalalam-baovao kenyana fa nahita lalana ny mpandraharaha sy ny mpanao politika tsy tafiditra ao amin'ity sokajin-taona ity mba hahazoana mialoha kokoa, ka nampiharihary ny hantsana eo amin'ny manankarena sy ny mahantra ao amin'ny firenena.
Mandritra izany fotoana izany, araka ny tatitry ny The Washington Post, dia matetika no miandry anaty laharana mandritra ny tontolo andro manomboka amin'ny 5 maraina, vao asaina miverina ny ampitson'iny ny zokiolona anaty sokajy sy ireo Kenyana mahantra, izay tsy mahafantatra olona ary tsy manam-bola handoavana kolikoly, satria lany ny fatra.
“They have another door for their friends,” Mary Njoroge, 58, one of the teachers, told The Washington Post. “Without a godfather to help you through this process, what are you supposed to do?”
“Manana varavarana hafa ho an'ny namany izy ireo,” hoy i Mary Njoroge, 58 taona, iray amin'ireo mpampianatra, tamin'ny The Washington Post. “Raha tsy misy mpiaro manampy anao ao anatin'ity dingana ity, inona no tokony hataonao?”
Misy tranga tahaka izany koa tao amin'ny hopitalim-panjakana iray hafa araka ny notaterin'i @_Sativa, mpikirakira Twitter monina any Nairobi, Kenya. Tao amin'ny randram-baovao Twitter no nitantarany ny zavatra niainan'ny nenitoany , mpampianatra efa misotro ronono efa 60 taona mahery. Nandritra ny fotoana niandrasan'ny zokiolona ny laharana, nisy mpitsabo mpanampy niantso anarana ary dia tamy ny tanora ho eo aloha hatao vakisiny. Rehefa nanontany ny zava-nitranga ny nenitoany dia nomen'ny mpitsabo mpanampy nomeraon-telefônina maromaro handefasany vola, hoy izy tao amin'ny randram-baovaon'ny Twitter-ny.
Nilaza tamin'ny fampitam-baovao ny Sekreteram-panjkaana ao Kenya misahana ny fahasalamana, Mutahi Kagwe, taorian'ny fahazotoan'ny olona rehefa nentanina hanao vakisiny:
I think somewhere along the line we seem to have developed some confusion that anybody can walk into a vaccination centre and get vaccines. I want to make it very clear, those carrying out vaccination will have to account for every dose that they have used and that dose that they have used must be matched against an eligible person.
Mieritreritra aho rehefa ao am-pilaharana ao fa toa namboly sahotaka isika amin'ny hoe afaka mankany amin'ny foibem-panaovam-bakisiny avokoa izay rehetra te-ho atao vakisiny. Tiako hazavaina tsara, fa ireo izay mampanao vakisiny dia tsy maintsy handray an-tsoratra ireo daozim-bakisiny nampiasainy ary natao tamin'ny olona tafiditra ao anaty sokajy ny daozim-bakisiny.
Niangavy ireo Kenyana izay tsy ao anatin'ny lisitra laharam-pahamehana ny filohan'ny fikambanan'ny infirmiera nasionaly any Kenya Alfred Obengo mba tsy hilahatra vakisiny.
Tamin'ny fanazavana ny fomba mety hisorohan'ny governemanta kenyana io fikorontanana io amin'ny drafi-panolorany, namehy ny lahatsorany i Gathara tamin'ny filazany hoe:
Much of this could have been avoided if the Kenyan government and its global partners, including the World Health Organization and Western governments, treated Kenyans as partners in the rollout rather than colonial subjects to be brutalised and exploited. Sadly for Kenyans, their colonial state does not know how to act any differently.
Azo nosorohana ny ankamaroan'izany raha nandray ny Kenyana ho mpiara-miombon'antoka amin'ny fanaovam-bakisiny fa tsy olom-pehezin'ny mpanjana-tany hosetrasetraina sy hararaotina ny governemanta kenyanina sy ireo mpiara-miombon'antoka manerantany, ao anatin'izany ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) sy ny governemanta tandrefana. Mampalahelo ho an'ny Kenyana, tsy mahay izay fihetsika hafa tokony atao ny fanjakana mpanjanatany. |
https://mg.globalvoices.org/2021/04/24/152358/ | Bilaogin'ny fifidianana tany Zimbaboe | 2021-04-24T04:23:28 | Unknown | (Lahatsoratra tamin'ny volana Aprily 2008)
Ny 29 Martsa 2008 dia nantsoina hifidy tamin'ny fifidianana parlemantera sy filoham-pirenena ny Zimbaboeana. Andro maromaro taty aoriana, mbola tsy nambara ny valim-pifidianana ofisialy. Nanambara ny tenany ho mpandresy ny mpitarika ny mpanohitra Morgan Tsvangirai , teo anatrehan'i Simba Makoni sy ny filoham-pirenena teo aloha Robert Mugabe avy amin'ny antoko Zanu (PF) , saingy tsy hiova tsy hisy ny fifandonana ny fitantanana ny fahefana .
Tokotanin-tsehatra
Ao amin'ny openDemocracy : Zimbabwe's unfolding drama Vakio ny lohateny farany avy amin'ny gazety The Zimbabwean
Fitantarana ny fifidianana tany Zimbaboe ato amin'ny Global Voices
Avr 05 – Zimbabwe: Anyone know someone with a truck? Avr 05 – Israeli Startup Falsely Accused of Rigging Zimbabwe's Elections
Avr 01 – What more must Zimbabweans do? Mar 30 – Zimbabwe: Harare is tense after Tsvangirai claims victory Fev 18 – Zimbabwe: Is Dr. Simba Makoni a puppet?
Avr 05 - Isiraely : Orinasa isiraeliana mivoatra endrikendrehina fa mangala-bato any Zimbabwe
Raha te-hanome rohy hafa ianao, raha bilaogera ianao ary te-handray anjara ato amin'ny Global Voices ho an'i Afrika miteny Anglisy, mandefasa hafatra any amin'ny Tonian-dahatsoratray ho an'i Afrika Atsimon'i Sahara.
Zimbabwe: Election officials arrested
Zimbabwe: Bread, Milk and Toilet Paper
Tunisian Journalist Covers Elections in Zimbabwe
Trinidad & Tobago: This & That
Zimbabwe: Fighting for democracy with FrontlineSMS
Zimbabwe: An eyewitness account
Zimbabwe: Verifying votes in secrecy
Iran: Mugabe and Ahmadinejad
Zimbabwe: Zimbabwe in photos final edition
Zimbabwe: Media crakdown
Zimbabwe: A country of starving billionaires
Zimbabwe: Recount of Presidential Ballots Unprocedural
Zimbabwe: If only kids could vote
Zimbabwe: Final Senate results
Zimbabwe: Election officials arrested
Zimbaboe : Mofo, sy ronono ary taratasy fifirana
Mpanao gazety Toniziana mitatitra ny fifidianana any Zimbaboe
Trinidad & Tobago: This & That
Zimbaboe : FrontlineSMS ho enti-miady hoan'ny Demokrasia
Zimbaboe : Vavolombelona nanatri-maso
Zimbaboe : An-tsokosoko no amerenana ny fanisana ireo vatom-pifidianana filoham-pirenena
Iran: Mugabe and Ahmadinejad
Zimbabwe: Zimbabwe in photos final edition
Zimbaboe : Fanaovana “haza-lambo” ny mpanao gazety
Zimbaboe : Firenen'ireo “Milionera mpitrongy vao homana”
Zimbaboe : Tsy fanarahan-dalàna mikasika ny famerenana fanisana ireo vatom-pifidianana filoham-pirenena
Zimbaboe : Raha mba nahazo nifidy ireo ankizy
Zimbaboe : Valiny feno hoan'ny fifidianana loholona
Ekipa mpaka sary avy amin'ny tranonkala Ngizwane-Ndinzwei no nitantara ny zava-nitranga nandritra ny fifidianana tamin'ny 29 Martsa.
Avy amin'ny frontlineblogger tao amin'ny Flickr ny sary ampiasaina eo an-tampon'ny pejy.
Fitantarana manokana hafa ato amin'ny Global Voices (amin'ny teny Anglisy)
Burmese protests 2007
Ny hetsi-panoherana Birmana 2007
Pakistan Emergency 2007
Vonjitaitra ao Pakistana 2007
Middle East Peace 2007
Ny fandriampahalemana any Afovoany Atsinanana (2007)
Climate Change 2007
Fiovaovan'ny Toetrandro 2007
The assassination of Benazir Bhutto
Ny Famonoana An'i Benazir Bhutto
Kenya Elections Aftermath 2008
Taoriana (na fiantraikan'ny) fifidianana Kenya taona 2008
Tibet Protests 2008
Border Crisis in South America 2008
Krizin-tsisintany tany Amerika Atsimo 2008
Zimbabwe Elections 2008
Fifidianana Zimbaboe 2008
Egypt General Strike 2008
Fitokonana faobe tao Ejypta taona 2008 |
https://mg.globalvoices.org/2021/04/17/152199/ | Tokony hisy ve ny endrika amin'ny fiteny Shona amin'ny Google sy tranonkala media sosialy? Eny hoy ity Zimbaboeana mpahay teknolojia ity | 2021-04-17T04:04:29 | Unknown | Mpandihy sy mpitendry amponga nentim-paharazana ao Zimbaboe. Sary avy amin'i TJ Maposhere tao amin'ny Wikimedia Commons ( CC BY-SA 4.0 ).
Fanamarihan'ny tonian-dahatsoratra: Manomboka amin'ny 13-19 aprily 2021, handray ny kaonty Twitter ifandimbiasana @DigiAfricanLang i Blessing Sibanda, izay manadihady ny fomba fampiasana ny teknolojia hamelomana ireo fiteny Afrikana. Vakio bebe kokoa ato ny momba ny fanentanana.
Shona, fiteny ofisialin'i Zimbaboe, dia iray amin'ny fiteny Bantu be mpiteny indrindra, manana mpiteny tombanana eo amin'ny 10,8 tapitrisa eo . Saingy na dia misy aza ireo loharanom-pahalalana literatiora sy ara-tantara marobe napetraka amin'ny Shona, tsy dia mahafa-po mihitsy ny fahitana ny fiteny an-tserasera.
Blessing Sibanda, injenieran'ny rindrambaiko, no lohalaharana amin'ny ezaka hananana ny teny Shona ho ankatoavina eo amin'ny sehatry ny fikirakirana ny fiteny voajanahary , ny sehatry ny faharanitan-tsaina artifisialy mba hahatonga ny solosaina “hahatakatra” sy hamaky ny fiteny voasoratra sy tenenina.
Niresaka tamin'i Blessing i Adéṣinà Ọmọ Yoòbá avy ao amin'ny Rising Voices mba hahalalana bebe kokoa momba ny asany amin'ny fahazoana fankatoavana ny fiteny Shona amin'ny milina fianarana tokotanin-tsehatra sy an-jotra.
Adéṣinà Ọmọ Yoòbá (AOY): Azonao atao ve ny milaza aminay ny momba anao?
Blessing Kudzaishe Sibanda. Image used with his permission.
Blessing Kudzaishe Sibanda (BKS) : My name is Blessing Kudzaishe Sibanda. I am a software engineer and researcher. I am currently pursuing a Master’s degree in Computer Science at Namibia University of Science and Technology. My research interests are in Computer Vision and natural language processing (NLP).
I am part of Masakhane , where I am conducting NLP research on low-resource languages, specifically concentrating on my native language Shona. I have been particularly involved in the machine translation and named-entity recognition (NER) initiatives for Shona.
Blessing Kudzaishe Sibanda (BKS): Blessing Kudzaishe Sibanda no anarako. Injenieran'ny rindrambaiko sy mpikaroka aho. Manaraka fianarana mari-pahaizana Master momba ny Siansa Informatika ao amin'ny Oniversite Siansa sy ny Teknolojia Namibia aho izao. Ny tanjoko amin'ny fikarohana dia ny Fahitana momba ny Solosaina sy ny fanodinana ny teny voajanahary (NLP).
Izaho dia anisan'ny Masakhane , izay itarihako fikarohana NLP momba ireo fiteny vitsy voambolana, mifantoka manokana amin'ny tenindrazako Shona. Nandray anjara manokana tamin'ny fandikan-teny amin'ny milina sy ny fisantarana andraikitra fankatoavana singa nomena anarana (NER-ang) ho an'ny Shona aho.
AOY: Manao ahoana ny toerana ankehitriny misy ny fiteninao ivelan'ny aterineto sy an-jotra?
BKS : Shona is very active and vibrant offline. According to the website mustgo, it is one of the most spoken Bantu languages, with an estimated 10.7 million speakers. It has a rich history and literature with a lot of a documentation. Although it has great resources offline, there still a lot potential to increase its presence online.
BKS: Mavitrika tokoa ary mavitrika ivelan'ny aterineto ny Shona. Araka ny tranokala mustgo, iray amin'ireo fiteny Bantu be mpiteny indrindra izy io, ary tombanana ho 10,7 tapitrisa ny mpampiasa azy. Manana tantara sy literatiora manan-karena fanadihadiana maromaro izy. Na dia manana loharano lehibe ivelan'ny aterineto aza izy, dia mbola betsaka ny azo atao hampitomboana ny fisiany amin'ny aterineto.
AOY: Inona araka ny hevitrao no fanamby lehibe atrehin'ny vondrom-piarahamonin'ny fiteninao amin'ny resaka fifandraisana nomerika na famoronana votoaty nomerika amin'ny tenin-drazan'izy ireo?
BKS : I think in most African countries, inclusive of my country, the biggest challenge is that of having the language of the former colonisers as the first language. Although this has been of advantage when communicating on an international stage, it has made our own native languages not be appreciated as they should. This has to some extent made those who speak for example English be thought of as more educated or of a higher social class whilst looking down upon our own native languages. So, you find people preferring the foreign language more than the native one.
With this, I think the biggest issue which needs to be dealt with is the perspective of the native language, it needs to be shifted to make it more appealing to use whether in business or on the internet, so that people can better embrace it. From a technological standpoint, it is lagging behind in terms of tools and software which make it easier and accessible to use online. This is mostly because of the lack of resources which can be used to produce those tools. Tools and services like dictionaries, translation, keyboards (for languages with diacritics), speech, amongst others, will pay off in the long run as they make it easier to communicate with our own language online.
BKS: Heveriko fa any amin'ny ankamaroan'ny firenena Afrikana, anisan'izany ny fireneko, ny fanamby lehibe indrindra dia ny fananana ny fitenin'ireo mpanjanatany taloha ho fiteny voalohany. Na dia tombontsoa aza ity rehefa nifampiresaka teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, dia nahatonga ny tenindrazanay tsy nankatoavina araka ny tokony ho izy. Nahatonga ny fiheverena ireo izay miteny Anglisy ho toy ny avara-pianarana kokoa na sarangam-piarahamonina ambonimbony kokoa izany no sady manambany ny fitenin-drazanay manokana. Ka noho izany, mahita ianao fa mora kokoa ny miteny vahiny toy izay ny anao teratany.
Amin'izany, heveriko fa ny olana lehibe indrindra tokony hovahana dia ny fomba fijery ny tenin-drazana, mila ovaina izany mba hahatonga azy ho mahasarika kokoa ny fampiasana azy na amin'ny varotra na amin'ny aterineto, mba hahafahan'ny olona mandray azy tsara kokoa. Raha ny fomba fijery ara-teknolojia, dia taraiky izy amin'ny lafiny fitaovana sy rindrambaiko izay manamora kokoa azy sy azo idirana hampiasaina anjotra. Ny ankamaroany dia noho ny tsy fahampian'ny loharano azo ampiasaina hamokarana ireo fitaovana ireo. Hisy vokatsoa maharitra ireo fitaovana sy servisy toy ny rakibolana, fandikan-teny, kitendry (ho an'ireo fiteny misy diakritika), ny kabary, ankoatra ny hafa, satria manamora ny fifandraisana amin'ny fiteninay manokana amin'ny aterineto izy ireo.
AOY: Araka ny hevitrao, inona ny sasany amin'ireo dingana azo raisina ao anatin'ny fotoana fohy handrisihana ny fitomboan'ny fampiasana ny fiteny amin'ny aterineto?
BKS : I believe the integration of local languages into everyday online tools and technologies that we use can encourage the increased use of the language on the internet. For example, with Google Search, if you could switch the main language to Shona and everything gets displayed in Shona. This should also be the option for social media sites, where most of the languages from Africa are not covered for personalising display language.
Another example is with Wikipedia. People can contribute pages using their own native languages which in a way increases the discoverability of these languages. I believe another step, as earlier noted, is investment in research and products which utilize native languages.
From a technological perspective, there is a lot of ground to cover compared to the most widely spoken languages to be at par in terms of research and products. This is an impediment, as we cannot fully express our own language whilst making those unfamiliar with it able to understand it, as the internet has made the world a global village. With these concerted efforts I believe the use of native languages online can be encouraged.
BKS: Mino aho fa ny fampiatiana ireo fiteny eo an-toerana ao anatin'ny fitaovana sy teknolojia an-tserasera isan'andro izay ampiasainay dia afaka mandrisika ny fitomboan'ny fampiasana ny fiteny amin'ny aterineto. Ohatra, amin'ny Fikarohana Google, raha azonao atao ny mamadika ny fiteny lehibe ho Shona ary azo aseho amin'ny Shona ny zava-drehetra. Tokony ho io ihany koa no safidy ho an'ireo tranonkala media sosialy, izay tsy ananan'ny fiteny avy aty Afrika fisehoan'ny fiteniny manokana.
Ohatra iray hafa ny amin'ny Wikipedia. Afaka mandray anjara amin'ny fampiasana ny fitenin-drazany ny olona izay mampitombo ny fahitana ireo fiteny ireo. Mino aho, araka ny efa nomarihiko teo aloha, fa dingana iray hafa, ny fampiasam-bola amin'ny fikarohana sy ny vokatra izay mampiasa ny tenin-teratany.
From a technological perspective, there is a lot of ground to cover compared to the most widely spoken languages to be at par in terms of research and products. This is an impediment, as we cannot fully express our own language whilst making those unfamiliar with it able to understand it, as the internet has made the world a global village. With these concerted efforts I believe the use of native languages online can be encouraged.
Raha ny fijery teknolojika, dia betsaka ny tany mila sahanina raha oharina amin'ireo fiteny be mpampiasa indrindra raha te ho ao anatin'ny voambolam-pikarohana sy vokatra. Sakana izany satria tsy afaka maneho feno ny fiteninay izahay no manao izay hahatakaran'ny tsy zatra azy, satria nanao izao tontolo izao ho vohitra iray manerantany ny aterineto. Amin'ireto ezaka ifarimbonana ireto, mino aho fa azo ampirisihina ny fampiasana ny tenindrazana an-tserasera.
AOY: Inona no antony manosika anao voalohany hiasa hahita ny fiteninao sy ny kolontsaina ho hita amin'ny aterineto?
BKS : My motivation is to see a lot of activity when it comes to NLP technologies for Shona, and to have tools that are comparable in performance to the widely adopted languages on the internet. I believe competent tools will inevitably encourage the use of the language on the internet, and for this to happen the native speakers should be at the forefront of researching and producing these tools as they better understand their own language.
This is why I adore and am part of the Masakhane Community. It is bringing the native speakers to work and research on their own languages. It is lowering the barrier of entry into working with these technologies, providing a community and mentors to help along this journey of producing these tools. In addition to this, it is publishing research which will make it easier for others to continue this work and make sure native languages are represented in technology.
BKS: Ny antony manosika ahy dia ny mahita hetsika marobe rehefa miresaka momba ny teknolojia NLP ho an'ny teny Shona, ary ny fananana fitaovana azo ampitahaina amin'ny fampisehoana ireo fiteny ampiasaina indrindra amin'ny aterineto. Mino aho fa handrisika ny fampiasana ny fiteny amin'ny aterineto ny fitaovana mahavita izany, ary mba hitrangan'izany dia tokony ho lohalaharana amin'ny fikarohana sy famokarana ireo fitaovana ireo ny mpiteny teratany satria mahatakatra tsara kokoa ny fiteniny manokana izy ireo.
Izany no antony ankafiziko sy anisan'ny maha-fiarahamonina Masakhane ahy. Mitondra ireo mpiteny teratany hiasa sy hikaroka momba ny fitenin'izy ireo manokana izany. Mampihena ny sakana hidirana amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo teknolojia ireo, manome vondrom-piarahamonina sy mpanolo-tsaina hanampy mandritra ny dia amin'ny famokarana ireo fitaovana ireo. Ho fanampin'izany, dia mamoaka fikarohana izay hanamora ny fanohizan'ny hafa ity asa ity izany ary hahazoana antoka fa voasolotena amin'ny teknolojia ny tenin-teratany. |
https://mg.globalvoices.org/2021/04/16/152221/ | Mbola mikatona ny media sosialy ao Ogandà, herinandro maro aty aorian'ny fifidianana | 2021-04-16T04:40:46 | Unknown | Afisin'i Bobi Wine, kandidà mpanohitra tamin'ny fifidianana hita eny amin'ny araben'i Kampala, Oganda. Sary avy amin'i James Propa ary nahazoana alàlana.
Nanatri-maso ny fanakatonana tanteraka ny aterineto i Oganda ny tolakandron'ny 13 Janoary 2021, talohan'ny fifidianana filoham-pirenena.
Nilatsaka hofidiana indray ny filoha amperinasa Yoweri Museveni, 76 taona, izay nandray ny fahefana tamin'ny taona 1986, taorian'ny ady anaty akata – ary nitondra ny firenena nanomboka tamin'izany.
Ny mpifanandrina goavana indrindra tamin'i Museveni dia i Robert Kyagulanyi, 38 taona, fantatra amin'ny anarany an-tsehatra, Bobi Wine, mpanao politika lasa mpihira. Lasa mpikambana tao amin'ny parlemanta i Wine, nisolo tena ny fari-pifidianana Kyadondo Atsinanana, tamin'ny taona 2017.
Tamin'ny kabary natao talohan'ny fifidianana, nanambara fandraràna tsy voafetra ny Facebook tao Oganda ny filoha, nilaza fa nanohana ny mpanohitra ny Facebook rehefa nandràra ny kaontin'ireo mpanohana ny antokon'ny fitondrana izy ireo.
Namoaka fanambarana ny orinasam-pifandraisan-davitra MTN, ny 12 Janoary 2021, nilaza fa nahazo toromarika avy amin'ny Vaomieran'ny Serasera Oganda (UCC) izy ireo mba hanapaka ny aterineto:
Mampahafantatra an'ireo mpanjifany hajaina sy mpiray antoka hafa aminy ny MTN Oganda fa nahazo toromarika avy amin'ny Vaomieran'ny Serasera Oganda (UCC) ireo mpandraharaha fifandraisandavitra nasionaly ao amin'ny firenena mba hampiato avy hatrany ny fidirana sy fampiasana, mivantana na amin'ny fomba hafa ireo sehatra media sosialy rehetra, sy ireo fampiharana fandefasan-kafatra an-tserasera amin'ny tambajotra. mandra-pahatongan'ny fampandrenesana fanampiny.
Nampihatra ny toromarika ny MTN Oganda, ho fanajana ny Fahazoan-dàlana ho an'ny Mpandraharahan'ny Fifandraisandavitra Nasionaly sy mifanaraka amin'ny fanajana ny Zon'olombelona Nomerika manerana ny vondron'ny MTN.
Naverina ampahany tamin'ny laoniny tamin'ny marainan'ny alatsinainy 18 Janoary 2021 ny aterineto, saingy mbola tsy mandeha kosa ny sehatra sosialy, tsy misy ny fanambarana ny amin'ny fotoana mety hamerenana azy ireo.
Nahatonga fatiantoka $ 8,9 tapitrisa USD nandritra ny dimy andro nanapahana tanteraka ny aterineto ny saran'ny fitaovana nanapahana ny aterineto.
Nisioka momba ny fiantraikan'ny fanapahana ny nomerika ao amin'ny firenena ihany koa i Mutegeki Cliff, filoha lefitry ny Internet Society Oganda:
This recent internet Shutdown cost our country a loss of $8,937,735. This money could potentially construct for infrastructure. @A4A_Internet @internetsociety @ISOC_Community @ISOCUg @ISOC_Africa @VictorNdonnang @netblocks https://t.co/5o7nyX3sDi pic.twitter.com/sWtFPAOoQA
— Mutegeki Cliff (@mutegekicliff) January 19, 2021
Nitondra fatiantoka $8.937.735 ity fanakatonana aterineto vao haingana tao amin'ny firenentsika ity. Mety nahafahana nanangana fotodrafitrasa ity vola ity.
Miankina amin'ny fampiasana ny rindranasa VPN amin'izao fotoana izao ireo Ogandey. Saingy nopihan'ny governemanta tsy ho azo ampiasaina ny VPN sasany, ary rahonany hosamborina izay Ogandey hita mampiasa tambajotra VPN.
Ogandey marobe no nitatitra fa nihitsoka ny aterineto, izay misy fiantraikany amin'ny lafin'ny asa aman-draharaha, anisan'izany ny banky.
Its been nine (9) days of the Uganda govt blocking social media. The Internet speed is so slow that making bank transactions, uploading videos, tethering laptop to phones is nearly impossible. Accessing Google Drive and Google Docs is impossible without a VPN. #KeepitOn pic.twitter.com/0grqhl2Ys7
— Kemigisa (@JackyKemigisa) January 21, 2021
Efa sivy (9) andro izay ny governemantan'i Oganda no nanakana ny media sosialy. Mihitsoka tokoa ny hafainganan'ny aterineto ka tsy azo atao mihitsy ny manao fifanakalozana banky, mamoaka horonantsary, mampifandray laptop amin'ny telefonina. Tsy azo atao ny miditra amin'ny Google Drive sy Google Docs raha tsy misy VPN.
Ny mampihomehy, dia mbola mampiasa media sosialy ny fikambanan'ny governemanta sasany toa ny Polisy Oganda hifandraisana amin'ireo olom-pirenena izay nakatona tamin'ny fomba ofisialy ny tambajotra sosialin'izy ireo.
Tamin'ny 26 Janoary, nisioka fanambarana iray momba ny raharaha famonoana olona ny polisy Oganda:
. @Patrickonyango1 “Police in Entebbe are investigating a case of murder by shooting of a one Kyeyune Erica, a boda boda rider who was shot by a yet to be identified person”. https://t.co/Tog1ohWyD5
— Uganda Police Force (@PoliceUg) January 26, 2021
“Manadihady tranga famonoana olona tamin'ny fitifirana an'i Kyeyune Erica, mpitaingina boda boda izay notifirin'ny olona mbola tsy fantatra ny polisy ao Entebbe” .
Ivom-pifandraisana eo amin'ny namana sy ny fianakaviana ny media sosialy any Oganda ary misy ny fivelarana amin'ny haivarotra nomerika ho an'ireo tanora mitantana orinasa madinika toy ny mpivarotra sakafo, zava-pisotro, lamaody ary mozika.
Miankina betsaka amin'ny media sosialy ireo orinasa madinika ireo satria tsy afaka miditra amin'ny haino aman-jery mahazatra izy ireo noho ny halafosan'ny dokambarotra.
Mitsipaka ny valim-pifidianana ny mpanohitra
Tabilao fametahana fampielezan-kevi-pifidianana an'i Museveni am-perinasa ao Kampala, Oganda. Sary avy amin'i James Propa ary nahazoana alàlana.
Voangona feno ny valim-pifidianana ary nambara ny tolakandron'ny sabotsy 16 janoary, ka ny filoha am-perinasa Museveni no nandresy tamin'izany tamin'ny 58,4 isan-jato, narahin'i Bobi Wine, niaraka tamin'ny 35 isanjaton'ny vato 10,7 tapitrisa.
Nisy fiantraikany lehibe tamin'ny ezaka fampielezan-kevitr'i Bobi Wine ny fanapahana ny aterineto, izay vao avy nanangana ny antoko National Unity Platform volana maro talohan'ny fifidianana, ka vitsy ny rafitra napetraka eny ifotony natao hiaro ny vatony. Natombok'i Wine ny fampiharana Uvote izay natao hampiasain'ny mpiserasera handraketana izay fisolokiana ataon'ny mpifidy sy hampiakarana kopian'ny valim-pifidianana, sary ary horonan-tsary momba ny fanao ratsy amin'ny fifidianana.
Nogadrain'ny miaramila sy ny polisy tamin'ny trano ambenana i Wine hatramin'ny alin'ny 25 Janoary, taorian'ny didim-pitsarana izay nangataka tamin'izy ireo mba hiala ny tranony.
Maromaro amin'ireo mpikambana ao amin'ny antokony toa an'i Nubian Li mpitendry mozika no mbola any am-ponja miatrika fitsarana miaramila noho ny fiampangana fa manana fitaovam-piadiana miaramila.
Ity ambany ity ny hira politika antsoina hoe “Uganda Zukuka” izay midika hoe “Mifohaza Oganda”, avy amin'i Bobi Wine sy Nubian Li:
Bobi Wine tamin'ny fanambarana iray nilaza fa “feno tsy fanarahan-dalàna goavana ny fifidianana, anisan'izany ny herisetra avy amin'ny fanjakana”:
Mampalahelo, fa nanao fanonganam-panjakana manohitra ny Lalàmpanorenana sy ny vahoaka Oganda indray i Museveni … Araka ny nomarihan'ny ankamaroan'ny rafitra Nasionaly sy Iraisampirenena, feno tsy fanarahan-dalàna ity fifidianana ity, anisan'izany ny herisetra avy amin'ny fanjakana, fampitahorana ary fanorisorenana ireo mpanohana ahy, izaho sy ireo kandidà hafa avy amin'ny mpanohitra, vatom-pifidianana voasoratra mialoha amin'ny anaran'i Museveni, fanovana ny endrika fanambarana ny vokatra, fakana fanambarana avy amin'ireo masoivohonay ataon'ny Mpiasan'ny Fiarovana, fanisam-bato feno hosoka, sns. Any amin'ny biraom-pifidianana manerana ny firenena, nesorina teny amin'ny birao fandahatsa-bato sy notazonina ireo mpiasanay. Hatreto dia maro amin'izy ireo no mbola tsy hita. |
https://mg.globalvoices.org/2021/04/13/149049/ | Valan'aretina soca: Ahoana no famolavolan'ny COVID-19 ny feon'ny Karnavaly nofoanana ao Trinidad & Tobago | 2021-04-13T05:07:04 | Unknown | Pikantsary avy amin'ny video ‘Backyard Jam’ avy amin'i Farmer Nappy , tao amin'ny JulianspromosTV | Soca Music tao amin'ny YouTube.
Efa lohahevitra mahazatra, tahaka ireo olana misy ao amin'ny firenena eny fa na manerantany aza izay mahaliana ny vahoaka ny feonkiran'ny karnavalin'i Trinidad sy Tobago, indrindra rehefa tafiditra ny hira calypso . Avy amin'izany dia mitombo avy roa heny ho tsangambato manantantara ny lisitry ny hiran'ny karnavaly, miaraka amin'ny fahefana hampifantoka anao amin'ny fotoana sy toerana, manomboka amin'ny politika hatramin'ny ady lehibe manerantany .
Mozika Soca , fametrahana palitao azo avy amin'ny “fanahin'i calypso,” dia fankalazana ny atao hoe calypso amin'ny fanehoan-kevitra ara-tsosialy, saingy talohan'ny fahatongavan'ny areti-mifindra COVID-19, matetika manaraka ny fitarihan'ny calypso, no sady mametraka ny soniany fetibe ao amin'izany ity endrika malaza be ity, miaraka amin'ny kojakojany rehetra (anisan'izany ny chutney soca ).
Na eo aza ny fanafoanana ny Fetibe Karnavaly 2021 tao Trinidad sy Tobago, dia mbola namoaka fitaovana vaovao ireo mpanakanto, maro amin'izy ireo no mifandraika amin'ny COVID. Ity misy fijery (ary henoy) ny sasany amin'ireo tolotra tsara indrindra hatramin'izao.
‘Cabin Fever’ — Skorch Bun It, Kes and Sekon Sta
Okay, noho izany dia tsy miresaka ara-teknika momba ny areti-mandringana ity hira ity. Tahaka ireo sakafo soca be dia be, mampisongadina ny hasin'ny fahafahan'ny vehivavy mandresy izany — ilay dihy manintona izay marika famantarana ny fety — nofaritana ho “mihozongozona toy ny sambo an-dranomasina.” M ilaza izany fa ny lohaten'ilay hira dia zavatra ahafahan'izay olona rehetra mirindrina noho ny COVID-19 mamantantra ny tenany; manome endrika tsara kokoa ny feo (sy horonan-tsary mahafinaritra, nalaina tamin'ny fitsangantsanganana an-tsambo) .
‘Horn Proof’ — Kells sy Sekon Sta
“Misy olona voasioka fanairana ao anaty fitokana-monina; ny zavatra iray azo antoka aloha dia ny anjomara fanairana (izany hoe tsy mahatoky _ infidele) “: lohahevitra tsy mety lefy amin'ny mozika soca ny “anjomara fanairana” , ka mba hampalaza azy ankehitriny, maninona raha dinihina ny “fitahan'olon-tiana” izay misy hatrany na eo aza ny ny fepetra fanalavirana ara-tsosialy ilaina tanterahana?
Ho amin'ny fahamendrehany, manohy manoro hevitra ireo torotoro fo ny hira mba hitantana ny “anjomara fanairana” amin'ny fahamatorana ary tsy hanao zavatra kinanga, fanekena amim-pahatsiarovan-tena ny zava-misy fa niaina fitomboan'ny herisetra mifototra amin'ny miralenta i Trinidad sy Tobago, ary koa pi-maso amin'ireo fakan'ny calypso an'ny soca amin'ny fampiasana ny mozika mba hamahana ny olana ara-tsosialy manindry.
‘Private Party’ — Machel Montano
Azo iadian-kevitra fa nahita ny fomba iray iaingana indray ilay artista soca nahomby indrindra manerantany, Machel Montano . Amin'ity feon-kira ity, dia manasa ireo mpankafy karnavaly rehetra izy hanaiky ny fanovana nentin'ny areti-mifindra ary hankafy ny fety amin'ny fomba hafa: “Manao fety ao an-trano aho, omeo ahy ny kaody fidirana […] ny efitrano fandraisam-bahiny no kianja filalaovako, jereo fa mivadika kianja izany. “ Raha atao teny hafa, mamony amin'ny toerana nambolenao (na raha amin'ny fiteny amin'ny areti-mandringana, manaova fety ao amin'ny toerana anokana-monina anao ).
‘Backyard Jam’ — Farmer Nappy
Ny areti-mandringana, tamin'ny lafiny maro, dia namerina ny fetibe nasionaly indray tamin'ny fotony, voafintina amin'ity feon-kira manintona sy mahafinaritra ity izay mampiseho ny embona taloha rehetra momba ny fomba tsotra sy marina amin'ny fankalazana: “Tsy mila mpanentana lehibe isika, fa ny mpifanila vodi-rindrina no ho mpanohana antsika. “Tononkalo iray amin'ny fahatsorana sy ny faharetan'ny kolontsaina eo an-toerana sy ireo izay mahatakatra fa ny Karnavaly dia mihoatra lavitra noho ny loharano fidiram-bola .
‘All House is Road’ — Bunji Garlin
Ity feon-kira ity kosa miresaka momba ny faharetana sy ny famoronana indray ao anatin'ny indray mandeha: “Nihiboka tao an-tsainao ianao? Inona no mitranga ao amin'ny fisainanao? […] Na dia irery aza aho, dia tsy mijanona mihitsy ny Fetibe!” Porofo manamarina izany fa miaina ao anatin'ny Trinbagoniana tsirairay ny fetibe nasionaly, lelafo izay tsy voavonon'ny areti-mandringana.
‘One Wish’ — Iwer George & Travis World
Tabanca , na manina izay zavatra lasa, no zavatra iray itoloman'ny mpiondana Karnavaly maro amin'ity taona ity. Ampahany mahatonga ny fetibe fanao isa-taona ho iankinan'ny ain-dehibe dia noho izy io fantsona andosirana amin'ny tsindrin'ny fiainana andavanandro. Ity lahatsary ireo manoritsoritra an'i Iwer George, olona iray tratran'ny COVID mitolona miaraka amin'ny mpiasan'ny fahasalamana fony izy nentina teny amin'ny hopitaly- manao ny fomba rehetra hidirana ao amin'io kolontsain'ny fahafinaretana io: “Manao izay tsy maintsy ataonay izahay, fa henoy izay tiako hatao ! Raha manana faniriana iray aho, dia ataoko izay hidirako amin'ilay toerana, fety iray hafa indray dia hotratrariko ilay toerana ! “ Fanehoan-kevitra hatsikana mamirapiratra momba ny fifehezana ny fepetran'ny areti-mandringana izany, mandritra ny vanim-potoana iray, amin'ny maha-izy azy indrindra, tia fahafinaretana tsy voafehy .
‘Better Days’ — Patrice Roberts
Raha mbola miady amin'ny valan'aretina manerantany izao tontolo izao, dia sarotra ny maka sary an-tsaina ny fiainana aorian'ny COVID-19, saingy manome fanantenana ho amin'ny hoavy ity hira ity: “Ho tonga, ho tonga ny andro tsara kokoa … ovay ny lalanao; aza avela handalo foana izao fotoana izao ary mitoera ho izao hatrany [aza miova].” Mitovy amin'izany ihany, ‘God Is Ah Trini’ an'i Swappi mampiasa oha-pitenenana mahazatra hamantsika ny hafany fa hihatsara ny toe-javatra, ary ho ao tsara i Trinidad sy Tobago—sy ny Karnavaliny—. |
https://mg.globalvoices.org/2021/04/10/152156/ | HORONANTSARY/RAKIPEO: Mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza | 2021-04-10T04:50:20 | Unknown | Tamin'ny volana Desambra lasa teo, nitodika tany amin'i Arzantina ny mason'izao tontolo izao satria natao ara-dalàna ny fanalan-jaza tao amin'io firenena io. Saingy hatraiza no hanerena ny zazavavy sy vehivavy ho tonga reny any amin'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao?
Jereo na henoy ity andiana Global Voices Insights (nandeha mivantana tamin'ny 7 Aprily) ity, izay nandraisan'i Melissa Vida , tonian-dahatsoratray any Amerika Latina anjara tamin'ny resadresaka mahaliana momba ny zo ara-pananahana miaraka amin'ireto manam-pahaizana manokana sy mpikatroka manaraka ireto:
Debora Diniz (Brezila): antrôpôlôgy mamolavola tetikasam-pikarohana momba ny bioetika, ny feminisma, ny zon'olombelona ary ny fahasalamana. Mampianatra ao amin'ny Oniversiten'i Brasilia, mpikaroka ao amin'ny Oniversite Brown, ary mpikatroka ho an'ny zo ara-pananahana. Nahazo mari-pankasitrahana nasionaly sy iraisam-pirenena marobe ny fanadihadiana nataony momba ny fanalan-jaza, ny fanambadiana mitovy, ny fanjakana laika ary ny sela fototra ary naseho tamina fifaninanana maro. Joy Asasira (Oganda): fanta-daza amin'ny Fiarovana ny Fahasalamana momba ny Fanabeazana Aizana Afrikana, ny Zon'olombelona, sy ny Miralenta ary mpamolavola tetikady miaraka amin'ny fisoloana vava manerantany, ny fanentanana ary ny fananganana hetsika sy ny fandrindrana. Notoloran'ny Uganda Law Society ny loka tsara indrindra ho an'ny Vehivavy mpiaro ny zon'olombelona i Joy tamin'ny taona 2018/2019 ary nekena ho vehivavy misandratra ho an'ny Fahasalamana Manerantany tao amin'ny Fivoriambe Ara-pahasalamana Manerantany ho an'ny Vehivavy Mpitarika (2017) tao amin'ny Oniversite Stanford. Emilie Palamy Pradichit (Thailandy) : mpanorina sady talen'ny Orina Mpanasoa Manushya, izay naoriny tamin'ny taona 2017 (midika hoe ‘Olombelona’ amin'ny teny Sanskrit ny Manushya ), manana tanjona hanamafisana ny fahefan'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana, indrindra ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy mba ahafahan'izy ireo miady ho an'ny zony, ny fitovian-jo ary ny rariny ara-tsosialy. Mpisolovava iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona izy ary manam-pahaizana manokana amin'ny fanomezana fitsarana ara-drariny ho an'ny vondrom-piarahamonina voahilikilika. R Umaima Ahmed (Pakistan): mpanao gazety mahaleotena. Vao haingana izy no Toniandahatsoratra Mpiara-miasa An-tserasera tao amin'ny The News on Sunday sy ny The Nation Newspaper. Manana traikefa folo taona eo amin'ny fanoratana votoaty, famoahan-dahatsoratra ary ny fampitam-baovao ao an-toerana amin'ny aterineto sy ny fampitam-baovao vahiny izy. Ny fiarovana nomerika, ny olan'ny vehivavy ary ny zon'ny biby no hifantohany. Mpandray anjara ato amin'ny Global Voices izy. Dominika Lasota (Polonina): mpikatroka mafana fo amin'ny fiarovana ny toetrandro, 19 taona avy any Polonina; Mpandray anjara amin'ny hetsika Fridays For Future sy ny Women's Strike.
Debora Diniz (Brezila): antrôpôlôgy mamolavola tetikasam-pikarohana momba ny bioetika, ny feminisma, ny zon'olombelona ary ny fahasalamana. Mampianatra ao amin'ny Oniversiten'i Brasilia, mpikaroka ao amin'ny Oniversite Brown, ary mpikatroka ho an'ny zo ara-pananahana. Nahazo mari-pankasitrahana nasionaly sy iraisam-pirenena marobe ny fanadihadiana nataony momba ny fanalan-jaza, ny fanambadiana mitovy, ny fanjakana laika ary ny sela fototra ary naseho tamina fifaninanana maro.
Joy Asasira (Oganda): fanta-daza amin'ny Fiarovana ny Fahasalamana momba ny Fanabeazana Aizana Afrikana, ny Zon'olombelona, sy ny Miralenta ary mpamolavola tetikady miaraka amin'ny fisoloana vava manerantany, ny fanentanana ary ny fananganana hetsika sy ny fandrindrana. Notoloran'ny Uganda Law Society ny loka tsara indrindra ho an'ny Vehivavy mpiaro ny zon'olombelona i Joy tamin'ny taona 2018/2019 ary nekena ho vehivavy misandratra ho an'ny Fahasalamana Manerantany tao amin'ny Fivoriambe Ara-pahasalamana Manerantany ho an'ny Vehivavy Mpitarika (2017) tao amin'ny Oniversite Stanford.
Emilie Palamy Pradichit (Thailandy) : mpanorina sady talen'ny Orina Mpanasoa Manushya, izay naoriny tamin'ny taona 2017 (midika hoe ‘Olombelona’ amin'ny teny Sanskrit ny Manushya ), manana tanjona hanamafisana ny fahefan'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana, indrindra ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy mba ahafahan'izy ireo miady ho an'ny zony, ny fitovian-jo ary ny rariny ara-tsosialy. Mpisolovava iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona izy ary manam-pahaizana manokana amin'ny fanomezana fitsarana ara-drariny ho an'ny vondrom-piarahamonina voahilikilika.
R Umaima Ahmed (Pakistan): mpanao gazety mahaleotena. Vao haingana izy no Toniandahatsoratra Mpiara-miasa An-tserasera tao amin'ny The News on Sunday sy ny The Nation Newspaper. Manana traikefa folo taona eo amin'ny fanoratana votoaty, famoahan-dahatsoratra ary ny fampitam-baovao ao an-toerana amin'ny aterineto sy ny fampitam-baovao vahiny izy. Ny fiarovana nomerika, ny olan'ny vehivavy ary ny zon'ny biby no hifantohany. Mpandray anjara ato amin'ny Global Voices izy.
Dominika Lasota (Polonina): mpikatroka mafana fo amin'ny fiarovana ny toetrandro, 19 taona avy any Polonina; Mpandray anjara amin'ny hetsika Fridays For Future sy ny Women's Strike. |
https://mg.globalvoices.org/2021/04/06/152011/ | Voaisotra ho tsy heloka intsony ny fiarahan'ny samy lehilahy na samy vehivavy any Angola amin'ny lalàna famaizana vaovao | 2021-04-06T04:19:19 | Unknown | Nanan-kery nanomboka ny 11 Febroary ny fehezan-dalàna famaizana vaovao any Angola, izay manaisotra tsy ho heloka ny fifandraisana eo amin'ny olona mitovy fananahana sy manasazy ny herisetram-pankahalana pelaka.
Nolaniana tamin'ny taona 2019 ny lalàna vaovao saingy tamin'ny volana Novambra 2020 vao nankatoavina ary ny fehezan-dalàna famaizana tamin'ny taona 1886 nandritra ny fanjanahan-tany Portiogey no nosoloin'izany.
Nanafoana ny lalàna manasazy ireo izay “manaram-po amin'ny fanao ratsy amin'ny natiora” ilay fehezan-dalàna.
Hita ao amin'izany ny sazy mavesatra amin'ny herisetra vokatry ny fanavakavahana mifototra amin'ny fironana ara-pananahana, ankoatra ny zavatra hafa. Manasazy roa taona an-tranomaizina izay rehetra tsy mety mampiasa olona noho ny fironany ara-pananahana ihany koa ny lalàna.
Tsy miresaka momba ny fanambadiana ara-dalàna eo amin'ny olona mitovy fananahana ny fehezan-dalàna vaovao.
Nanatevin-daharana ireo firenena Afrikana vitsy an'isa izay tsy manameloka ny fiarahan'ny olon-dehibe mitovy fananahana i Angola. Tao anatin'izay taona vitsivitsy lasa izay, Afrika Atsimo, Seychelles, Mozambika, Cap Vert, Malawi, Botswana, ary Gabon no nanala na nanitsy ny lalànany tamin'ny fomba ara-dalàna mba tsy hanamelohana ny fifandraisana toy izany.
Tamin'ny taona 2014, niantso ny fanjakana Afrikana rehetra hanao toy izany ny Vaomiera Afrikana misahana ny Zon'olombelona sy ny Zon'ny Vahoaka:
Reconhecer os perigos da violência e outras formas de discriminação contra pessoas com base na sua orientação sexual e identidade de género reais ou imputadas, e instituir leis que protejam as pessoas LGBTIQ+ da violência e discriminação como membros de uma categoria vulnerável, tal como exigido na Resolução 275 da Comissão Africana dos Direitos Humanos e dos Povos.
Fantaro ny loza ateraky ny herisetra sy ny endrika fanavakavahana hafa rehetra atao amin'ny olona noho ny fironany ara-pananahana sy ny maha-lahy na maha-vavy azy ireo, ary mametraha lalàna miaro ny olona LGBTIQ+ amin'ny herisetra sy ny fanavakavahana ho mpikambana ao amin'ny sokajy marefo, araka ny notakiana tamin'ny Fanapahan-kevitra laharana faha 275 nataon'ny Vaomiera Afrikana misahana ny Zon'olombelona sy ny Zon'ny Vahoaka.
Nanafoana ny fanamelohana ny fiarahan'ny pelaka tamin'ny taona 2015 i Mozambika.
Nialoha an'i Mozambika anefa i Angola tamin'ny famelana ny fisoratana anarana IRIS, fikambanana iray hiarovana ireo vitsy an'isa manana fironana ara-pananahana, tamin'ny taona 2018, zavatra izay nolavin'i Mozambika hatao tamin'ny fikambanana Lambda.
Miasa amin'ny fanabeazana sy amin'ny fanentanana ny besinimaro momba ny fitovian-jo na inona na inona fironana ara-pananahana na ny maha-lahy na maha-vavy azy ny Lambda. Efa nanomboka tamin'ny 10 taona lasa no naneren'ny Lambda ny governemanta Mozambikana mba hanaiky ara-dalàna ny vondrona ho “fikambanana”, nefa tsy nahovoka.
Ny fankatoavana ny fehezan-dalàna famaizana vaovao any Angola izay nanafoana ny fanamelohana ny fiarahan'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy noho izany dia niteraka fanehoan-kevitra isankarazany, indrindra ireo izay nanantena fa hitondra fandeferana bebe kokoa eo amin'ny fiarahamonina Angoley ny lalàna.
Resistência LGBTQ pelo planeta: Em decisão histórica, a Angola descriminaliza ser LGBTQ no país
Lei sancionada em novembro de 2020, entrou em vigor essa semana e resultou em alteração no código penal do país africano. A mudança também proíbe a discriminação de pessoas LGBTQs. pic.twitter.com/LoPmoHx4eE
— Universo LGBTQIA+ ?️? (@universolgbtq) February 12, 2021
Fifaharan'ny LGBTQ manerana ny planeta: nanafoana ny fanamelohana ny maha LGBTQ ao amin'ny firenena i Angola tao anatin'ny fanapahan-kevitra manan-tantara.
Nankatoavina tamin'ity herinandro ity ny lalàna, izay nolaniana tamin'ny volana Novambra 2020 ary manan-kery amin'ity faran'ny herinandro ity sy manova ny fehezan-dalàna famaizana ao amin'ny firenena Afrikana. Mandràra ny fanavakavahana atao amin'ny olona LGBTQ ihany koa ny fanovana.
Hita fa làlana misokatra ho an'ny manampahaizana momba ny zon'olombelona ao amin'ny firenena ny fanovana, hoy ny mpikatroka Paula Sebastião tamin'ny BBC Focus on Africa.
Esse Código Penal vai nos permitir atender a diferentes demandas a partir de agora, e também nos permite abrir uma conversa sobre trabalho, que é uma das principais lutas da comunidade LGBTQI+…
Hahafahantsika mamaly ny fitakiana samihafa manomboka izao ity fehezan-dalàna famaizana ity, ary ahafahantsika manokatra fifanakalozan-kevitra momba ny asa ihany koa, izay iray amin'ireo tolona lehibe ataon'ny vondrom-piarahamonina LGBTQI+… |
https://mg.globalvoices.org/2021/04/03/152098/ | MIVANTANA amin'ny 7 Aprily: Krizy ara-pahasalamana iray hafa – mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza | 2021-04-03T04:52:31 | Unknown | Tsy ny valan'aretina COVID-19 ihany no mandrahona ny fahasalaman'ny olona fa misy iray hafa efa ela kokoa. Amin'ity Andro Manerantany ho an'ny Fahasalamana ity, andao hofongarintsika ireo lohahevitra fady momba ny fitondrana vohoka tsy niriana sy ny fanalan-jaza tsy azo antoka.
Tsy zavatra kely izany any amin'ny toerana izay tsy mbola maha ara-dalàna ny fanalan-jaza, izay raha tsy azo antoka dia miteraka fahafatesan'olona manodidina ny 30.000 isan-taona, sy fahasarotana ara-pahasalamana maro.
Fanalan- jaza miisa 73 tapitrisa eo ho eo no mitranga manerantany isan-taona, ary ny iray ampahatelony farafahakeliny no mampidi-doza. “Vehivavy manodidina ny 7 tapitrisa no miditra hopitaly isan-taona any amin'ny firenena an-dàlam-pandrosoana, vokatry ny fanalan-jaza tsy azo antoka”, hoy ny tatitra nataon'ny Fikambanana Erantanin'ny Fahasalamana (OMS). Any amin'ny toerana sasany, mety hampiditra am-ponja ihany koa ny fanalan-jaza.
Miaraha aminay amin'ny Andro Manerantany ho an'ny Fahasalamana, ny 7 Aprily , hanatrika ny fandaharana farany indrindra momba ny andiana resadresaka an-tserasera Global Voices Insights mivantana, izay ahitana ireo mpamelabela-kevitra avy any Brezila, Oganda, Polonina, Pakistan, ary Thailandy hiresaka ny zo ara-pananahana any amin'ny fireneny avy.
Hanomboka amin'ny 1 ora tolak'andro GMT (amin'ny 10 ora maraina any São Paulo / amin'ny 3 ora hariva any Varsovia / amin'ny 4 ora hariva any Kampala / amin'ny 6 ora hariva any Lahore / amin'ny 8 ora hariva any Bangkok ) ny fotoam-pivoriana, izay hotontosaina amin'ny teny Anglisy ary atolotr'i Melissa Vida , toniam-paritra ho an'ny Global Voices Amerika Latina. Tsindrio ity rohy ity hamantaranao ny ora any amin'ny faritra misy anao.
Maimaimpoana ity fivoriana ity ary misokatra ho an'ny besinimaro, ary halefa mivantana amin'ny Facebook Live , YouTube ary Twitch .
Ireto ny mpandray anjara:
Brezila: Debora Diniz, antrôpôlôgy Breziliana mamolavola tetikasam-pikarohana momba ny bioetika, ny feminisma, ny zon'olombelona ary ny fahasalamana. Mampianatra ao amin'ny Oniversite Brasilia, mpikaroka ao amin'ny Oniversite Brown, ary mpikatroka mafana fo ho an'ny zo ara-pananahana. Nahazo mari-pankasitrahana nasionaly sy iraisam-pirenena marobe ny fanadihadiana nataony momba ny fanalan-jaza, ny fanambadiana mitovy, ny fanjakana laika ary ny sela fototra ary naseho tamina fifaninanana maro.
Oganda: Joy Asasira, fanta-daza amin'ny Fiarovana ny Fahasalamana momba ny Fanabeazana Aizana Afrikana, ny Zon'olombelona, sy ny Miralenta ary mpamolavola tetikady miaraka amin'ny fisoloana vava manerantany, ny fanentanana ary ny fananganana hetsika sy ny fandrindrana. Notoloran'ny Uganda Law Society ny loka tsara indrindra ho an'ny Vehivavy mpiaro ny zon'olombelona i Joy tamin'ny taona 2018/2019 ary nekena ho vehivavy misandratra ho an'ny Fahasalamana Manerantany tao amin'ny Fivoriambe Ara-pahasalamana Manerantany ho an'ny Vehivavy Mpitarika (2017) tao amin'ny Oniversite Stanford.
Thailandy: Emilie Palamy Pradichit, mpanorina sady talen'ny Orina Mpanasoa Manushya, izay naoriny tamin'ny taona 2017 (midika hoe ‘Olombelona’ amin'ny teny Sanskrit ny Manushya ), manana tanjona hanamafisana ny fahefan'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana, indrindra ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy mba ahafahan'izy ireo miady ho an'ny zony, ny fitovian-jo ary ny rariny ara-tsosialy. Mpisolovava iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona izy ary manam-pahaizana manokana amin'ny fanomezana fitsarana ara-drariny ho an'ny vondrom-piarahamonina voahilikilika.
Pakistan: R Umaima Ahmed, mpanao gazety mahaleotena. Vao haingana izy no Toniandahatsoratra Mpiara-miasa An-tserasera tao amin'ny The News on Sunday sy ny The Nation Newspaper . Manana traikefa folo taona eo amin'ny fanoratana votoaty, famoahan-dahatsoratra ary ny fampitam-baovao ao an-toerana amin'ny aterineto sy ny fampitam-baovao vahiny izy. Ny fiarovana nomerika, ny olan'ny vehivavy ary ny zon'ny biby no hifantohany. Mpandray anjara ato amin'ny Global Voices izy.
Polonina: Dominika Lasota, mpikatroka mafana fo amin'ny fiarovana ny toetrandro, 19 taona avy any Polonina; Mpandray anjara amin'ny hetsika Fridays For Future sy ny Women's Strike .
Manantena izahay fa hiaraka aminay ianao amin'ny 7 Aprily amin'ny 1 ora tolakandro ora GMT ( tsindrio ity rohy ity raha hanova ny ora any amin'ny faritra misy anao)! |
https://mg.globalvoices.org/2021/04/13/152140/ | Mikiry ho amin'ny ahitana ny fiteny Dagbani bebe kokoa an-jotra ny mpikatroka nomerika Ghaneana | 2021-04-13T03:45:05 | Unknown | Mpikatroka nomerika Ghaneana, Sadik Shahadu. Sary nomen'i Sadik Shahadu ary nahazoana alàlana.
Fanamarihan'ny tonian-dahatsoratra: Manomboka amin'ny 6-13 aprily 2021, Sadik Shahadu no handray ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang izay manadihady ny fomba fampiasana ny teknolojia hamelomana aina ireo fiteny Afrikana.
Tamin'ny fiandohan'ny taona 2021, voambolana Dagbani mihoatra ny 4.000 no voarakitra ary nalefa tao amin'ny Wikimedia Commons ho ampahany amin'ny fanentanana hampitomboana ny fahitana ilay fiteny.
Vondron-teny ampiasaina manerana an'i Afrika Andrefana izay misy ny fiteny Dagbani ampiasain'ny olona manodidina ny telo tapitrisa any avaratr'i Ghana ny fiteny Mole-Dagbani.
Iray amin'ireo mpandrindra an'io tetikasa io i Sadik Shahadu monina ao Accra, Ghana. Ankoatra ny maha mpiara-manorina azy ny Vondrona Mpampiasa Dagbani Wikimedians , dia mpikambana ao amin'ny Open Leaders X sady Mozfest wrangler amin'ny Fetibe Mozilla 2021, ary ambasadaorom-paritra ho an'ny vondrom-piarahamonina indizeny amin'ny Zavakanto sy ny Feminisma ihany koa izy.
Niresaka tamin'i Shahadu i Adéṣinà Ọmọ Yoòbá ao amin'ny Rising Voices mba hampafantatra bebe kokoa momba ny asany mampiroborobo ny teny Dagbani amin'ny aterineto.
Adéṣinà Ọmọ Yoòbá (AOY): Manao ahoana ny toerana misy ny fiteninao ivelan'ny aterineto ankehitriny, sy amin'ny aterineto ihany koa?
Sadik Shahadu (SS): My language (Dagbani language) status is deficient on the internet, and it is almost impossible to get information written in Dagbani. For example, when you take Google, you can access Google in other languages like Hausa and Akan. There is nothing like that for Dagabni yet. Most media stations in northern Ghana do not have most of their TV and radio programmes available in Dagbani. Even with print media, I am yet to see any local newspaper written in Dagbani.
Even though there are offline Dagbani resources and learning materials in most public libraries in some schools from the north, getting access to them is somehow difficult. In a nutshell, many people don't like writing in their local languages like Dagbani.
Sadik Shahadu (SS): Tsy hita firy amin'ny aterineto ny fiteniko (Dagbani), ary saika tsy hita ao mihitsy aza ny vaovao amin'ny teny Dagbani. Ohatra, afaka miditra amin'ny Google amin'ny fiteny hafa toa ny Hausa sy Akan ianao rehefa miditra amin'ny Google. Tsy mbola misy toa izany ho an'ny fiteny Dagabni. Tsy misy amin'ny fiteny Dagbani ny ankamaroan'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra sy ny onjam-peo ho an'ny ankamaroan'ny fampahalalam-baovao any avaratr'i Ghana. Na ny fampahalalam-baovao vita printy aza dia mbola tsy nahitako gazety amin'ny teny Dagbani tao an-toerana.
Sarotra ny fidirana amin'izy ireo na dia misy aza ny loharanom-baovao Dagbani ivelan'ny aterineto sy ny fitaovana ianarana any amin'ny ankamaroan'ny tranombokim-panjakana any amin'ny sekoly sasany any avaratra. Raha fintinina, maro ny olona tsy tia manoratra amin'ny fiteniny toa ny Dagbani.
(AOY): Inona araka ny eritreritrao no fanamby lehibe atrehin'ny fitenin'ny vondrom-piarahamoninao raha miresaka serasera nomerika na famoronana votoaty nomerika amin'ny fitenindrazan'izy ireo ?
SS: Many challenges exist when it comes to local language communities in Ghana. For the Dagbani language, I think the style of teaching and learning, especially at the basic school level, is appalling, If the foundation is weak, it will definitely affect all other levels. For example, children who perform best in Dagbani as a subject don't get recognized, unlike those that perform well in other subjects. How do we expect them to develop more interest? So I will say the approach to teaching the Dagbani language is unattractive.
Another reason could be technology and platform support. There is currently no free iOS keyboard for the Dagbani language, making it difficult to type any special Dagbani letter on an iPhone.
SS: Fanamby maro no misy raha ny momba ireo fitenin'ny vondrom-piarahamonina ao Ghana. Ho an'ny fiteny Dagbani, heveriko fa tsizarizary ny fomba fampianarana sy fianarana, indrindra any amin'ny ambaratonga fototra. Misy fiantraikany amin'ny ambaratonga hafa rehetra ny fahosana manomboka any amin'ny fotony. Ohatra, tsy mahazo fankasitrahana ny ankizy mahavita taranja tsara indrindra amin'ny fiteny Dagbani, tsy toy ireo izay mahavita tsara amin'ny taranja hafa. Ahoana ny fomba anantenantsika azy ireo ho liana bebe kokoa? Ka hoy aho hoe tsy mahasarika ny fomba fampianarana ny fiteny Dagbani.
Antony iray hafa ny teknolojia sy ny sehatra fanohanana. Tsy misy kitendry iOS maimaimpoana ho an'ny fiteny Dagbani amin'izao fotoana izao, ka manasarotra ny fanoratana litera Dagbani manokana amin'ny iPhone.
(AOY): Araka ny hevitrao, inona ny sasany amin'ireo dingana azo raisina handrisihana ny fitomboan'ny fampiasana ny fiteny amin'ny aterineto ?
SS: To increase the use of the Dagbani language or other local languages on the internet, the government or the Ghana education service (GES) must revise the course materials used for teaching. Some of these resources are old fashioned and unattractive.
Second, more resources (funding) should be channelled into creating more digital educational materials or online resources for easy access. Offline resources like the internet-in-a-box device can also be useful to people with limited access to the internet.
Finally, we must develop more interest in contributing to the Dagbani Wikipedia.
SS: Mba hampitomboana ny fampiasana ny teny Dagbani na ny fiteny hafa ao an-toerana amin'ny aterineto, tsy maintsy mamerina mandinika ireo fitaovana ampiasaina amin'ny fampianarana ny governemanta na ny sampam-panabeazana ao Ghana (GES). Ny sasany amin'ireo loharano ireo no nilaozan'ny toetr'andro ary tsy mahasarika. Faharoa, tokony hisy ny loharano (famatsiam-bola) hafa hamoronana fitaovana fanabeazana nomerika bebe kokoa na loharano an-tserasera ahafahana miditra mora foana. Mety ilaina ihany koa ho an'ireo olona manana fidirana amin'ny aterineto voafetra ny loharano ivelan'ny aterineto toa ny fitaovana Internet-in-a-box.
Ary farany, tsy maintsy mampitombo fahalianana bebe kokoa isika amin'ny fandraisana anjara amin'ny Wikipedia Dagbani.
(AOY): Inona ny antony manosika anao voalohany hiasa hahita ny fiteninao sy ny kolontsaina mba ho hita amin'ny aterineto ?
SS: As an ambassador for indigenous communities, I am more interested in promoting my culture and the Dagbani language on the internet. It is important to do so by contributing contents from Ghana to Wikimedia projects like Wikipedia and Wikimedia Commons. I want to make information and knowledge more accessible in Dagbani so people who cannot read and write in English will also have access to them.
SS: Amin'ny maha ambasadaoro ahy ho an'ny vondrom-piarahamonina indizeny, liana kokoa amin'ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny teny Dagbani amin'ny aterineto aho. Zava-dehibe ny fanaovana izany amin'ny alàlan'ny fandraisana anjara amin'ny votoaty Ghaneana amin'ireo tetikasan'ny Wikimedia toa ny Wikipedia sy ny Wikimedia Commons. Tiako atao mba ho hita bebe kokoa amin'ny fiteny Dagbani ny fampahalalam-baovao sy ny loharanom-pahalalana mba hahafahan'ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra amin'ny teny Anglisy miditra amin'izany ihany koa. |
https://mg.globalvoices.org/2021/04/08/152135/ | Am-polony no maty ary nafindra toerana ny mponina tao an-tanàna tamin'ny fanafihana vaovao nitranga tany Cabo Delgado, Mozambika | 2021-04-08T05:09:11 | Unknown | Tetezana mametra an'i Cabo Delgado, Mozambika avaratra, 4 Aogositra 2009. Saripikan'i F. Mira tamin'ny alàlan'ny CC BY-SA 2.0.
Nisy fanafihana iray hafa ihany koa nitranga tany amin'ny faritany avaratr'i Mozambika, Cabo Delgado. Ny tolakandron'ny 24 Martsa lasa teo dia nisy andian-dehilahy nitam-piadiana nanafika ny afovoan-tanànan'i Palma, izay eo akaikin'ny toerana misy ny asa fanodinana etona voajanahary lehibe indrindra atsy Afrika, tantanan'ny orinasa frantsay Total.
Nahafatesana sivily am-polony ny fanafihana, ary nafindra toerana ireo mponina tao amin'ny tanàna. Tsy mbola misy ny tarehimarika ofisialy satria mbola mitohy ny ady amin'ny tafika.
Fantatra fa vahiny iray, fara fahakeliny, avy any amin'ny firenena Afrika Atsimo, miasa ao amin'ny asa fanodidina etona no maty.
Efa nandritra ny telo taona mahery ny faritany avaratr'i Cabo Delgado no niharan'ny fanafihana izay nataon'ny fanjakana mitonontena ho Islamika. Nanomboka tamin'ny volana Oktobra 2017 izany rehetra izany, rehefa notafihin'ny lehilahy mitam-piadiana ny tobin'ny polisy.
Nanomboka tamin'izay, efa maherin'ny 2.000 no olona maty noho ny fanafihana ary 700.000 mahery no nafindra toerana ao anatiny, maro amin'izy ireo no ao an-drenivohitr'i Cabo Delgado, Pemba ankehitriny. Tombanan'ny UNICEF fa ankizy ny antsasak'ireo nafindra toerana ireo.
Tahaka ny tamin'ny fanafihana hafa, voalaza fa ny Fanjakana Islamika (ISIS) ihany koa no tompon'andraikitra tamin'izany.
Tamin'ny 10 Martsa, nampidirin'i Etazonia tamin'ny fomba ofisialy tao anatin'ny lisitr'izy ireo misy ny fikambanana mpampihorohoro ny vondrona mahery fihetsika silamo miisa roa – ny iray avy any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo (RDC) ary any Mozambika ny iray. Niampanga ireo fikambanana roa ireo ho manana fifandraisana amin'ny ISIS ny governemantan'i Etazonia.
Efa ho herinandro taorian'ny fipoahana, tamin'ny Talata 30 Martsa teo, nanambara ny fantsom-pahitalavitra tsy miankina STV fa tafaverina tamin'ny Hery Fiarovana sy ny Tafika Mozambikana ny tanàna, saingy minitra vitsy taorian'izay dia nihemotra izy ireo rehefa nanamarika fa nisy fanafihana maro hafa nitranga.
Esta terça-feira, depois de garantias das FDS de que a situação estava controlada, equipas de reportagem que estão no terreno, a acompanhar a situação, testemunharam situações de trocas de tiros, mostrando que a situação continua fora do controlo.
Tamin'ity talata ity, taorian'ny fanomezan-toky avy amin'ny mpitandro ny filaminana fa voafehy ny toe-draharaha dia nanatri-maso ny fifampitifirana ireo ekipa mpitatitra vaovao manara-maso ny toe-javatra, nampiseho fa tsy mbola voafehy ny toe-draharaha.
Taorian'ny zava-niseho tamin'ny faha-24 Martsa, fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena maro no niantso ny filoham-pirenena hanazava ampahibemaso ny zava-nitranga. Notakian'ireo fikambanana ireo ny filoham-pirenena mba hangataka fanampiana iraisam-pirenena hiadiana amin'ny vondrona mitam-piadiana any avaratr'i Mozambika:
Exigimos informação regular e atempada pelo chefe de Estado sobre a situação de Cabo Delgado, informação exata e desagregada por género e faixa etária das populações afetadas, entre deslocadas, assassinadas e raptadas.
Mitaky fampahalalana tsy tapaka sy ara-potoana avy amin'ny filoham-panjakana momba ny toe-draharaha any Cabo Delgado izahay, vaovao marina avy amin'ny sokajin'olona sy ny sokajin-taona misy an'ireo mponina voakasik'izany, anisan'izany ireo nafindra toerana, novonoina ary nalaina ankeriny.
Ho valin'izany, nanao fanambarana ny Alarobia lasa teo ny filoham-pirenena Filipe Nyusi izay nanentanany ny vahoaka mba tsy hisendoatra, ary nilaza fa nisy fanafihana lehibe kokoa nitranga tao amin'ny faritany. Nilaza ihany koa i Nyusi fa tokony hialana ny karazana fanelingelenana rehetra:
Foi mais um ataque. Não foi maior do que tantos outros que tivemos, mas tem esse impacto por ter sido na periferia dos projetos em curso naquela província.
Não percamos o foco, não fiquemos atrapalhados. Vamos abordar o inimigo como temos estado a abordar, com alguma contundência, como as Forças de Defesa e Segurança estão a fazer, porque a falta de concentração é o que os nossos inimigos internos e externos querem.
Nós temos que nos concentrar, abraçarmo-nos e avançarmos. Temos estado, segundo a segundo, a seguir o trabalho que os jovens no terreno estão a fazer.
Fanafihana hafa indray io. Tsy lehibe noho ny maro hafa efa hitantsika izany satria nitranga teo akaikin'ny fifampitifirana niseho tao amin'io faritany io.
Aoka isika hifantoka , aoka isika tsy ho varimbariana. Hiatrika ny fahavalo isika toy ny efa nataontsika, tamim-kery, toy ny ataon'ny Hery Fiarovana sy ny Tafika, satria ny tsy fisian'ny fifantohana no tadiavin'ny fahavalontsika anatiny sy ivelany.
Tsy maintsy mifantoka isika, mifamihina ary mandroso. Manaraka isa-tsengotra ny ady ataon'ny tanora any an-toerana isika.
Ho fanohanana dia handefa miaramila miisa 60 hampiofana ny tafik'i Mozambika i Portiogaly ato ho ato. |
https://mg.globalvoices.org/2021/03/22/151738/ | Namela heloka ny lehilahy roa naniratsira azy tamina horonantsary niparitaka be ny filoha Mozambikana | 2021-03-22T03:50:23 | Unknown | Tamin'ny 16 Febroary, nandray manokana olona roa izay niseho tamin'ny horonantsary misy fanamarihana manevateva azy ny filohan'ny Mozambika, Filipe Nyusi. Taorian'ny fanehoan-kevitra mahery vaika tany an-toerana vokatr'ity raharaha ity ny fihaonana.
Tao anatin'ity horonantsary ity, raikitra tao anaty fitohanan'ny fifamoivoizana tao Maputo izy roa lahy, minitra vitsy talohan'ny ora tsy fahazoana mivezivezy napetraka tao an-drenivohitra Mozambikana ny 4 Feb. Rehefa nahita ny fitohanana izy ireo dia sady nanevateva no nitsikera ny fepetra famerana amin'ny valan'aretina COVID-19 no sady nanohitra ny tsy fahazoana mivezivezy ihany koa. Ny filoha hoy izy ireo no tompon'andraikitra amin'izany.
Nanjary nalaza tao amin'ny tambajotra sosialy ilay horonantsary ary naseho tamin'ny fahitalavitra STV. Rehefa nahalala an'ity tranga ity ny Sampan-draharaha misahana ny Fanadihadiana Heloka Bevava (SERNIC) dia nanokatra fanadihadiana momba azy roa lahy noho ny fanevatevana , izay niafara tamin'ny fisamborana ny iray tamin'izy ireo, Betelson J., ny 12 febroary.
Telo andro taty aoriana, araka ny filazan'ny tranonkalam-baovao Notícias , navotsotra i Betelson taorian'ny fankatoavan'ny mpitsara ny fangatahan'ny Fikambanan'ny mpisolovava Mozambika (OAM), izay nilaza fa mila fitoriana avy amin'ilay voakasika mivantana ny heloka fanevatevana , izany hoe ny filohan'ny Repoblika. Nanamafy ihany koa ny OAM fa mihatra amin'ny trangana heloka tratra ambodiomby ny fampidirana am-ponja vonjimaika.
Ny ampitson'io, gaga ny rehetra fa nanasa azy roa lahy ny filoham-pirenena mba hihaona aminy manokana ao amin'ny biraony. Araka ny nitateran'ny mpanao gazety Omardine Omar izany:
O Presidente da República, Filipe Nyusi, recebeu hoje os dois jovens que há dias proferiram palavras ofensivas contra o Chefe do Estado, através de um vídeo posto a circular nas redes sociais. Refira-se que o Presidente Nyusi decidiu convidar os dois jovens para um diálogo, onde na ocasião manifestou o seu perdão perante a atitude pública dos referidos jovens.
Após serem recebidos pelo estadista, estes afirmaram-se arrependidos e que agradecem o gesto do Chefe do Estado, explicando que a medida emanada no Decreto do Conselho de Ministros visa proteger a população das áreas abrangidas pelo recolher obrigatório, visto que a Região do Grande Maputo apresenta um quadro preocupante de contaminações por COVID-19.
Nandray ireo tanora roa izay voalaza fa nanevateva azy andro vitsivitsy talohan'izay tamin'ny alàlan'ny horonantsary nalefa tao amin'ny tambajotra sosialy ny filohan'ny Repoblika, Filipe Nyusi, androany. Marihana fa ny filoha Nyusi no nanapa-kevitra ny hanasa ireo tanora roa voaresaka eto mba hifanakalo hevitra aminy, ary namela heloka azy ireo izy tamin'ireny fanambarana ampahibemaso ireny.
Taorian'ny nandraisan'ny filoham-panjakana azy ireo dia nilaza izy ireo fa nanenina tamin'ny fihetsika nataony ary nilaza fa nanohina azy ireo ny fihetsiky ny filoha. Nanazava izy ireo fa natao hiarovana ny mponina amin'ireo faritra voakasik'izany ny fampiharana ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina, izay fepetra noraisina tamin'ny filankevitry ny minisitra satria manana olona betsaka mampiahiahy hamindra ny COVID-19 ny faritr'i Maputo Lehibe.
Niteraka resabe tao amin'ny tambajotra sosialy tao Mozambika hatramin'ny voalohany ity tranga ity. Nifangaro ny fanehoan-kevitra momba ny fitantanan'ny manampahefana ny toe-draharaha, misy ny mitsikera ny governemanta, ny hafa kosa midera ny fihetsika natao.
Ilay manam-pahaizana Boa Monjane, ohatra , dia nametra-panontaniana momba ny fitazomana azy roa lahy:
É ofensa ou crime contra a segurança do Estado chamar um presidente corrupto de ladrão? Só num regime dictatorial.
Fahadisoana ve sa heloka bevava amin'ny filaminam-panjakana ny fiantsoana ny filoham-pirenena ho jiolahim-boto mpanao kolikoly? Ao amin'ny fitondrana jadona ihany.
I Roberto Tibana, mpahay toekarena kosa mihevitra fa tokony hosaziana amin'ny sazy heloka bevava ny fihetsik'izy roa lahy resahina eto:
As pessoas que se indignam com a detenção do jovem que insultou o Chefe de Estado, ou não viram o vídeo todo (a Stv sanitizou-o demais!), ou são hipócritas, ou são populistas demains para a saúde da sociedade!
É totalmente inadmissível o que foi dito e postado por aqueles jovens, seja em termos de princípios morais, seja por lei. O Chefe de Estado, o Presidente Nyusi, merece o nosso respeito como pessoa e como personificação da soberania do Estado Moçambicano.
Uma coisa é criticar, outra coisa é insultar. Não pode haver desculpas para obscenidades atiradas daquela maneira contra o Chefe de Estado. Que a moral e a lei prevaleçam. Que haja pudor!
Na mbola tsy nahita ny horonantsary iray manontolo (namboarimboarin'ny STV be ilay izy!), na mpihatsaravelatsihy na mpandrendri-bahoaka [izay tafahoatra ny fomba fijeriny] raha hanasoa ny fiarahamonina ireo olona tezitra tamin'ny fitazonana ilay tovolahy nanompa ny filoham-pirenena!
Tsy azo ekena ny zavatra nolazain'ireto tanora ireto sy navoakany an-tserasera, na amin'ny fomba fijery ara-pitsipi-pitondrantena na araka ny lalàna. Mendrika fanajana avy amintsika amin'ny maha-olona azy sy amin'ny maha solontenan'ny fiandrianam-pirenena Mozambikana azy ny filoha Nyusi.
Zavatra hafa ny mitsikera ary hafa ny manompa. Tsy misy ny fialan-tsiny ho an'ireo fanevatevana ny filoham-pirenena ireo. Aleo hanjaka ny fitsipika ara-moraly sy ny lalàna. Aoka hifanaja!
Noderain'i Bitone Viage ny fanapahan-kevitra nahatonga ny famotsorana an'i Betelson, izay nanararaotra mangataka ny hidiran'ny Fitsarana an-tsehatra amin'ny raharaha hafa ihany koa:
Parabéns aos advogados da Causa, Dr Ericino de Salema e Dr Benny Matchole Khossa, excelente e oportuna intervenção.
O país precisa tanto de figuras dessa natureza, sobretudo num contexto em que assistimos diariamente violações dos nossos direitos, e a justiça tem se comportado como uma serpente que simplesmente pica aos pés descalços.
Não consigo entender com tantos casos que mexem diretamente com a vida econômica do país, as nossas instituições de justiça não conseguem resolver os mesmo, contudo quando se trata de um inocente esfarrapado, um indivíduo não ofensivo ao Estado, as nossas instituições são funcionais e com uma celeridade de abrandar os céus.
Que tal termos o mesmo nível de celeridade com o processo das dívidas ocultas, um processo que até hoje os seus impactos são notáveis?
Miarahaba ireo mpisolovava nitory ny raharaha, nahafatra-po sady ara-potoana ny fandraisana andraikitr'i Dr Ericino de Salema sy Dr Benny Matchole Khossa.
Mila olona toy izany ny firenena, indrindra amin'ny sehatra ahitantsika ny fanitsakitsahana ny zontsika isan'andro sy toerana ahitantsika tsy mitsahatra ny fanaovan'ny Fitsarana lasibatra ny sarambabem-bahoaka.
Tsy azoko hoe maninona no tsy ahitam-bahaolana ny tranga ara-pitsarana be dia be mifandraika amin'ny fiainana ara-toekarena ao amin'ny firenena fa rehefa misy olona rovitra akanjo tsy manan-tsiny, izay olona tsy mampidi-doza ho an'ny fanjakana akory dia tsy hoe miasa fotsiny ihany ilay andrim-panjakana fa sady mailaka amin'ny fomba fiasa.
Rahoviana no mailaka toy izany eo amin'ny fikirakirana ireo tranganà kaonty maizina, izay mbola tsapa ihany ankehitriny ny vokany ?
Oficialmente perdoados pelo Presidente da República.
Bem- haja o gesto, o SERNIC deveria emitir um comunicado a fazer o mesmo, se querem mostrar trabalho existe muitos casos por aí que carecem de investigação. Que os meios do Estado sejam usados para coisas sérias.
Voavela heloka tamin'ny fomba ofisialy avy amin'ny filohan'ny Repoblika.
Eny, noho ilay fihetsika, tokony hamoaka fanambarana ny amin'izany ny SERNIC, ary mila mijery ny tranga maro izay mbola miandry fanadihadiana avy amin'izy ireo raha te hampiseho fa manao ny asany. Aoka ampiasaina amin'ny zavatra matotra ny loharanom-bolam-panjakana. |
https://mg.globalvoices.org/2021/03/11/151570/ | Tezitra ny Angoley taorian'ny famonoana mpanao fihetsiketsehana nandritra ny hetsika ho an'ny fizakàntena | 2021-03-11T04:35:58 | Unknown | Lahatsarin'ny mpanao fihetsiketsehana novonoina | Record TV Africa ( pikantsary 1 Febroary) Olona hatramin'ny 16 no maty nandritra ny fihetsiketsehana izay nampiasan'ny polisy Angoley famoretana henjana tao amin'ny tanànakely mpitrandraka tao Canfunfo tamin'ny 30 Janoary, “vonoan'olona” hoy ireo mpikatroka mafàna fo sy ireo mpitondra fivavahana ity zava-nitranga ity.
Lahatsarin'ny mpanao fihetsiketsehana novonoina | Record TV Africa ( pikantsary 1 Febroary)
Olona miisa 200 teo ho eo araka ny filazan'ny fampitam-baovao isankarazany tany an-toerana no nanatrika ity fihetsiketsehana nokarakarain'ny Hetsika ho hoan'ny Prôtektôràn'i Lunda Tchokwe (MPPLT) ity, fikambanana naorina tamin'ny taona 2006 miaro ny fizakantenan'ny antsasaky ny faritra atsinanan'i Angola, izay manan-karena diamondra.
Mba hanamarinana izany fanambarana izany dia nambaran'ny fikambanana fa nisy ny fifanarahana vita sonia teo amin'ireo lehibe teo an-toerana sy Portiogaly tamin'ny taona 1885 izay niantoka ny fiandrianan'ny faritra araka ny filazan'ny hetsika . Nilaza ny hetsika fa tsy noraharahiana ny fifanarahana nandritra ny fifampiraharahana momba ny fahaleovantenan'i Angola tamin'ny taona 1975.
Fahatsiarovana ny faha-127 taonan'ny “fankatoavana iraisampirenena ny zon'ny fanjakana Lunda Tchowke,” araka ny fanambarana navoaka tao amin'ny pejy Facebook -n'ny hetsika ny fihetsiketsehana natao tamin'ny 30 Janoary.
Nandefa miaramila sy polisy tany amin'ilay tanànakely ny manampahefana tamin'ny andron'ny fihetsiketsehana ary toy ny “tany miady” no nitranga tany hoy ireo nanatri-maso tamin'ny mpanao gazety. Ahitana sary vitsivitsy ny horonan-tsary etsy ambany:
https://www.facebook.com/341802689206693/videos/119752816632132?__cft__[0]=AZUcwBV_6JINDCZs3nJVZBgFEfVUPggM6Uj7fcJyUz4dZVB6bca8IQLIufJuFVm7vls2nx6X-sCgfRS9flHa5Na6XDKL_MvF6vGpJjPZ–Yhae5fqeuMOdnWSeT3X7ag2aL3r0wBdhOv0nFcmZDyx6JJ
REPORTAGEM DA AGÊNCIA LUSA NO CAFUNFO, LUNDA NORTE, SOBRE OS INCIDENTES DO DIA 31 DE JANEIRO DE 2021
Posted by UNITA Bruxelas on Friday, February 5, 2021
Raha niresaka tamin'ny Global Voice tamin'ny alàlan'ny antso an-tariby ny filohan'ny MPPLT, José Mateus Zecamutchima dia nandà ny filazan'ny polisy momba ny zava-nitranga izy izay nilaza fa nikasa hanafika ny paositry ny polisy ireo mpanao fihetsiketsehana. Nilaza i Mutchima fa nitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana tsy ankanakavaka ireo mpitandro ny filaminana.
Nolaviny ihany koa ny fitondran'ny mpanao fihetsiketsehana fitaovam-piadiana, ary nilaza izy fa andro vitsivitsy talohan'izay no nanao fisamborana ny polisy “tamin'ny tanjona hampiatoana ny fihetsiketsehana,” hoy izy nanohy.
Voasambotra tamin'ny 9 Febroary i Zecamutchima, andro vitsivitsy taorian'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices.
Tamin'ny 3 Febroary, nilaza tamin'ny mpanao gazety ny lehiben'ny komandin'ny polisy Paulo Gaspar de Almeida fa “tsy misy faritany eo ambany fiandrianan'ny firenen-kafa” ary nanao “asan-jiolahy” ilay hetsika.
Manana pejy Facebook sy bilaogy misy lahatsoratra mandà ny fampiasana fitaovam-piadiana na herisetra ny MPPLT.
Efa hatry ny ela no nataon'ny manampahefana Angoley lasibatra ny hetsika. Tamin'ny taona 2017 , Zecamutchima niaraka tamin'ny olona manodidina ny 80 teo no nosamborina tamin'ny fihetsiketsehana hafa.
Nilaza ny lahatsoratra iray hafa nosoratan'ny MPPLT fa mpikatroka maherin'ny 300 tao aminy no any am-ponja, “ny sasany notsaraina ary voaheloka ary ny hafa kosa tsia”, araka ny sombintsombiny navoakan'ny tranonkalam-baovao Renaissance.
Fanehoan-kevitra
Araka ny filazan'ny Público , naneho ny ahiahiny momba ireo horonantsarin'ny fihetsiketsehana mampiseho ny herisetran'ny polisy ny antoko mpanohitra CASA-CE.
Niantso ny famoretana nataon'ny polisy ho “hetsika manohina ny feon'ny fieritreretam-pirenena” ny Democratic Bloc , antoko mpanohitra iray hafa.
Nangataka tamin'ny fomba ofisialy ny fanadihadiana parlemantera momba ny zava-nitranga ny mpanohitra miaraka amin'ny UNITA.
Nanameloka ny zava-nitranga ihany koa ny Fiangonana Katolika. Nilaza ny Eveka Belmiro Chissenguete, avy ao amin'ny Diosezin'i Cabinda, izay faritra hafa misy hetsika fisintahana fa noho ny tsy fisian'ny fifanakalozan-kevitra no nahatonga ny zava-nitranga tao Canfunf0 ary nangataka fanadihadiana mahaleo tena mba hanazavana ny zava-misy izy:
Lançamos um apelo a todos que têm responsabilidade no País, que tenham coragem em fazer uma investigação independente, não só aquela que a nossa polícia vai fazer, o próprio parlamento tem que se mexer, organizações não-governamentais e outras instituições. Pelas imagens que recebemos aquilo parecia ser um campo de batalha.
Miantso ireo rehetra manana andraikitra eto amin'ny firenena izahay mba hanana fahasahiana hanao fanadihadiana tsy miankina, fa tsy ny ataon'ny polisintsika ihany, fa mila manao izany koa ny Parlemanta, sy ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana sy ny sampan-draharaha hafa. Hitanay tamin'ny sary voarainay fa toy ny tany an'ady no niseho.
Tamin'ny fampiasana ny tenirohy #LundaNorte, nitaky ny marina ny Angoley sasany monina any ivelany:
https://www.facebook.com/gisela.silva.961/posts/10215819248394321
Niely tamin'ny tambajotra sosialy ihany koa ny fiampangana ny antokon'ny fitondrana. Olom-pirenena iray antsoina hoe Hamilton no nandefa tao amin'ny pejy Facebook-ny hoe:
Tena henatra lehibe ho an'i Angola ny mbola fisian'ny tanora miady ho an'ny antoko politika izay nitondra fahavoazana lehibe ho antsika.
Tsy maintsy sakanan'ireo izay milaza fa zava-dehibe ny ain'olombelona ny zava-nitranga tany #LUNDANORTE. Tsy nanao na inona na inona ho tombontsoan'ny olom-pireneny ity governemanta tsy mahomby ity.
Niantso ny fametraham-pialàn'ny lehibe komandin'ny polisy ilay mpanao gazety Nok Nogueira:
Demita-se, senhor comandante-geral da Polícia Nacional. O senhor mente com todos os dentes. Não vi nada do que o senhor afirmou nesta conferência de imprensa nos vídeos que chegaram.
E a única pessoa que está a politizar este episódio é o senhor, quando diz que eles quiseram atacar o poder instituído.
Mialà, Andriamatoa lehibe komandin'ny Polisim-pirenena. Mandainga ianao. Tsy nahita na inona na inona izay zavatra nolazainao tamin'ity valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ity aho tao amin'ny horonantsary nivoaka.
Ary ianao irery no olona mampiditra ny resaka politika amin'ity zava-nitranga ity, rehefa milaza ianao fa nikasa hanafika ny fahefana mpitondra [ny vahoaka].
Tamin'ny 3 Febroary, niaiky ny Minisitry ny Fitsarana fa fanitsakitsahana ny zon'olombelona no nitranga nandritra ny fihetsiketsehana. |
https://mg.globalvoices.org/2021/02/23/151487/ | Nikasa ny handroaka ilay mpanao gazety vahiny i Mozambika | 2021-02-23T05:09:28 | Unknown | Tom Bowker niresaka tamin'ny vaovaon'ny SABC any Afrika Atsimo ny volana Desambra 2020. Sary: Pikantsary YouTube tao amin'ny fantsona SABC.
Nahazo baiko hiala an'i Mozambika tamin'ny faran'ny volana Janoary ilay mpanao gazety Britanika Tom Bowker, iray volana taorian'ny nanafoanan'ny manampahefana ny fahazahoany alàlana maha-vahiny solotenan-gazety azy.
Bowker no mpanorina ny tranonkalam-baovao Zitamar News , izay mitatitra ny vaovao politika sy toekarena Mozambikana amin'ny teny Anglisy. Tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, noderaina ny tranonkala noho ny fitantarany momba ny ady mitam-piadiana tao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado tamin'ny alàlan'ny tetikasa Cabo Ligado .
Araka ny taratasim-baovao navoakan'ny mpanao tati-baovao za-draharaha any Mozambika Joseph Hanlon, nampanantsoina tany amin'ny sampan-draharahan'ny fifindra-monina i Bowker tamin'ny 25 Janoary, ary nolazaina izy, teo anatrehan'ny mpisolovava azy, handao ny firenena ao anatin'ny dimy andro.
Tamin'ny 3 Febroary anefa dia mbola tany Mozambika i Bowker. Raha ny filazan'ny tranonkalam-baovao Evidências , izay nilaza fa niresaka vetivety tamin'ilay mpanao gazety, fa “am-bava fotsiny” ilay baiko fandroahana ary mbola manan-kery ny fahazoan-dàlana honina any an-toerana.
Nipetraka tany Mozambika niaraka tamin'ny zanany lahy sy ny vadiny nanomboka tamin'ny taona 2014 i Bowker .
Araka ny fanambaran'ny Biraon'ny Fampahalalam-baovao ao Mozambika (GABINFO), ny manampahefan'ny governemanta tompon'andraikitra amin'ny fanomezana alàlana ny mpanao gazety dia nanafoana ny fanomezana alàlana an'i Bowker satria “tsy afaka nanome antontan-taratasy manaporofo” ny maha ara-dalàna ny Zitamar News hiasa any ivelany izy.
Naverin'ny Evidências navoaka ilay fanambarana:
Diferentemente de outras agências noticiosas, que têm sede num determinado país e correspondentes em vários países do mundo, incluindo Moçambique, a Zitamar News tinha como sede o nosso país e vinha produzindo e editando os seus conteúdos informativos a partir de Maputo, o que contraria o espírito da Lei na qual assenta a qualidade correspondente de um órgão de comunicação social estrangeiro.
Diante dessas dúvidas, Bowker, quando solicitado, não conseguiu provar documentalmente a ligação entre a Zitamar News e a Zitamar LP (esta última empresa encontra-se registada na Inglaterra e desenvolve actividades de prestação de serviços, incluindo de informação), embora tenha sido por ele identificada como sendo a empresa proprietária da Zitamar News, na base da qual lhe fora atribuída a acreditação.
Perante as irregularidades verificadas, o GABINFO solicitou a devolução do cartão de acreditação como jornalista estrangeiro emitido a favor do senhor Thomas Andrew Bowker, com as suas devidas consequências legais.
Tsy toy ny masoivohom-baovao hafa, izay any amin'ny firenena iray manokana ary manana mpampita vaovao any amin'ny firenena maro hafa manerantany, ao anatin'izany i Mozambika, fa niorina ato amin'ny firenentsika ny Zitamar News ary namokatra sy mamoaka vaovao avy ao Maputo, izay mifanohitra amin'ny Lalàna mamaritra ny maha-media vahiny mpamoaka vaovao.
Araka izany, tsy afaka nanome antontan-taratasy manaporofo ny fifandraisan'ny Zitamar News sy ny Zitamar LP (orinasa iray any amin'ny Fanjakana Britanika izay miasa eo amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao ity farany) Bowker, rehefa nangatahina, izay nolazainy fa orinasa miara-miasa amin'ny Zitamar News ary nanome azy alàlana.
Manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna ireo, nangataka ny hanafoanana ny karatra fanomezan-dalana an'Atoa Thomas Andrew Bowker amin'ny maha mpanao gazety vahiny azy ny GABINFO miaraka amin'ny vokany araka ny lalàna.
Namoaka fanambarana manameloka ny fihetsiky ny manampahefana ny MISA-Mozambika, vondrona mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety:
O MISA-Moçambique manifesta sua profunda preocupação e repúdio perante a decisão do Governo de expulsar o jornalista e editor.
De particular preocupação está o facto de a decisão ter sido tomada de forma arbitrária, sem o seguimento dos procedimentos legais que, quanto ao MISA, eram pertinentes para este caso, como, por exemplo, a não fundamentação da decisão, assim como a sua transmissão por via oral, sem qualquer documento oficial escrito.
Deixa transparecer que se esteja a usar as instituições do Estado para a movimentação de expedientes políticos de manifesta ilegalidade.
Naneho ny ahiahiny lalina miaraka amin'ny fanoherana ny fanapahan-kevitry ny governemanta handroahana ilay mpanao gazety sady tonian-dahatsoratra ny MISA-Mozambika.
Ny fandraisana fanapaha-kevitra tsy ara-drariny tsy manaraka ny fomba araka ny lalàna no tena mampiahiahy, izay zava-dehibe ho an'ny MISA amin'ity raharaha ity. Tsy nisy fototra ara-dalàna io fanapahan-kevitra io ary nampitaina am-bava, tsy nisy antontan-taratasy ofisialy.
Toa hita fa ampiasaina ho an'ny resaka politika ireo andrim-panjakana. |
https://mg.globalvoices.org/2021/02/20/150767/ | Roa taona ny revolisionan'i Sodàna, mitaky fiovana ny diaben'ny mpanao fihetsiketsehana | 2021-02-20T05:07:15 | Unknown | Tao anatin'ny tsingerintaona faharoa ny revolisiona ao Sodàna, mitaky fiovana haingana kokoa avy amin'ny governemanta tetezamita ny mpanao fihetsiketsehana. Sary nopihana tao Khartoum, Sodàna, 19 Desambra 2020, avy amin'i Mohammed Abdelmonim Hashim, nahazoana alalana.
Manamarika ny tsingerintaona faharoa ny revolisiona sodaney ny 19 Desambra [2020], raha nipoaka tao an-tanànan'i Atbara ny hetsi-panoherana voalohany, ary niely nanerana ny firenena arahana fangatahana fahafahana, fandriampahalemana ary rariny — sy ny fiafaran'ny 30 taona nanapahan'i Omar al-Bashir. Nesorina avy eo i Bashir tamin'ny 11 Avril 2019, taorian'ny fanehoan-kery sy fihetsiketseham-panoherana nahafatesana olona am-bolana maromaro.
Nandritra ny fitondran'i Bashir ny olompirenena Sodaney nizaka ady, fahantrana, fahirano aratoekarena ary fanasaziana. Ireo zavatra nataon'i Bashir no nahatonga an'i Sodàna ho ao anaty lisitra napetrak'i Etazonia ho [firenena mpanohana] ny mpampihorohoro, ka nahasarotra ny fampiasam-bola na ny diplaomasia manerana ny tany.
Tamin'ity taona ity ny olompirenena sodaney ao Khartoum, renivohitra, nihaika ny coronavirus hanao fihetsiketsehana sy hitaky fiovana haingana. Na dia nidera ireo zavabita sy hafa nataon'ny governemanta tao anatin'ny roa taona aza ny olompirenena, dia mbola tsy mipaka any amin'ny olompirenena hatrany ny filàna fototra toy ny fikarakarana fahasalamana sy ny fanafody .
Nolazain'ny Departemantam-panjakan'i Etazonia ny fanesorana an'i Sodana ao amin'ny lisitry ny firenena manohana ny fampihorohoroana — fahombiazana mitopatopa ao amin'ny riakan'ireo asa lehibe vitan'ny governemanta tetezamita, toy ny fanorenana indray ny toekarena sy fametrahana holovainjafy ny fandriampahalemana ao Darfur avaratra.
Na dia teo aza ny dinam-pandriampahalemana voasonia tao Juba, dia fandriampahalemana tsy feno izany. Tsy nanao sonia izany ny hetsika mpioko roa lehibe indrindra, ny Sudan Peoples Liberation Movement-North ( SPLM-N na Hetsibahoaka Fanafahana an'i Sodàna – Avaratra) sy ny Sudanese Liberation Movement ( SLM/A-al-Nur na Hetsi-Panafahana Sodaney).
Samy manana ny fitakiany avokoa ireo mpanao fihetsiketsehana mankalaza ny tsingerintaona faharoa tao Khartoum, tamin'ny 19 Desambra. Ny sasany miantso fanitsiana haingana kokoa avy amin'ny governemanta. Ny hafa miantso rariny , ary misy vitsy miantso ny hanesorana ny governemanta noho ny lazaina fa “nangalatra” ny revolisiona.
Nivory teo amin'ny Lapa Repoblikana sy teo anoloan'ny tranoben'ny Parlemanta ireo mpanao diabe ampilaminana. Nisy ireo sasany niezaka ny hanao sit-in teo anoloan'ny Parlemanta ho fanafainganana ny fananganana Vaomieram-Panaovandalàna Tetezamita, ary misy iray hafa teo anoloan'ny lapa, mitaky ny hanadabohana ny governemanta.
Ao anatin'ny faharoa taona ny revolisiona ao Sodàna, maneho ny heriny ny mpanao diabe ary mitaky fiovana avy amin'ny governemanta tetezamita. Sary nopihana tamin'ny 19 Desambra 2020, tao Khartoum, Sodàna, avy amin'i Mohammed Abdelmonim Hashim, nahazoana alalana.
Na izany aza, naparitaky ny polisy tamin'ny alalan'ny etona mandatsa-dranomaso sy ny baomba mankarenintsofina ny mpanao fihetsiketsehana, ka iray ihany no voalaza fa naratra izay nolazaina fa nisambotra ilay baomba ka hamerina izany any amin'ny polisy saingy nipoaka sy nanapaka ny tanany izany.
Nisy filazana fa maro no sempotry ny ny etona mandatsa-dranomaso, araka ny tatitry ny komity foiben'ny dokotera sodaney.
Namoaka ity sary izay nivezivezy tao amin'ny media sosialy sodaney ity ary tsy nasiany fanehoan-kevitra i Hussam Abu-Alfath, mpikambana ao amin'ny Antoko Kongresy Sodaney, hita ao anatin'izany sary izany ny fiaraha-miasa eo amin'ny polisy sy mpanao fihetsiketsehana — sariohatra iray mahabe fanantenana amin'i Sodàna vaovao.
Tsikerain'ny mpanao diabe sasany ny dian'ny Praiminisitra Abdalla Hamdock nankany Djibouti tamin'ny aniverseran'ny revolisiona nametraka azy ho eo amin'ny fahefana, saingy ny hafa kosa nilaza hoe nandeha noho ny halehiben'ny raharaha izy. Izy no hitarika ny vovonan'ny IGAD ( I ntergovernmental Authority on Development , IGAD) ao anatin'ny fotoana ahitana fihozongozonana sy krizy mitatao mivantana ny faritra Afrikana Atsinanana.
Taty aoriana i Hamdok naneho hevitra ny amin'ny tsingerintaonan'ny revolisiona, nisioka:
أتقدم بالتحية للشعب السوداني العظيم بمناسبة حلول الذكرى الثانية لثورة ديسمبر المجيدة، متمنياً الرفعة للوطن والخلود للشهداء، والعودة للمفقودين، وتحقيق تطلعات بنات وأبناء شعبنا وبتمام الحرية والسلام والعدالة، الشعارات التي سالت من ورائها الدماء وبذلت في سبيلها الأرواح والمهج.
— Abdalla Hamdok (@SudanPMHamdok) December 19, 2020
Anaovako sapaoritra ny vahoaka sodaney lehibe amin'izao tsingerintaona faharoa ny revolisionan'ny desambra mamirapiratra izao, mirary fanambinana ho an'ny tanindrazana sy ny mandrakizay ho an'ny maritiora, ny fiverenan'ny nanjavona, ary ny fanatanterahana ny hetahetan'ny zanakavavy sy ny zanakalahintsika ao anatin'ny fahafenoan'ny fahafahana, fandriampahalemana sy ny rariny, hiaka mikoriana avy amin'ny rany ary nandoa ny ainy sy ny hafaliany noho izany.
Naneho hevitra momba ny diabe ny mpitarika ny SLMA Minawi niteny hoe :
التحرير في الخطوط الامامية لدعم السلام والحفاظ علي سلمية التاسع عشر من ديسمبر . لسنا ضد احد ولكنا ضد الاقصاء . pic.twitter.com/Zyy3xtbB9t
— Mini Arko Minawi. | مني اركو مناوي (@ArkoMinawi) December 19, 2020
Lohalaharana tamin'ny diabe ny mpanohana anay ary hanohana sy hihazona ny diaben'ny fandriampahalemana fahasiviambinifolo desambra. Tsy manohitra na iza na iza izahay, fa toherinay ny [fanilikilihana]. |
https://mg.globalvoices.org/2021/02/12/151345/ | Mpanao gazety Zimbaboeana sy mpanao politika mpanohitra roa nogadraina noho ny sioka momba ny habibiana nataon'ny polisy | 2021-02-12T03:27:19 | Unknown | Polisy misava ny fahazoan-dalan'ny mpandeha alohan'ny hidirany ao anaty bisy. Takiana hitondra fahazoan-dalana manaporofo fa mpiasa tena ilaina ireo Zimbaboeana hatramin'ny nanambarana ny fihibohana COVID-19. Sary avy amin'ny KB Mpofu / ILO , Bulawayo, 20 Aprily 2020 ( CC BY-NC-ND 2.0 ).
Voasambotra tamin'ny 8, 9, ary 11 Janoary tsirairay avy ilay mpanao gazety Hopewell Chin'ono sy mpanao politika mpanohitra miisa roa, Job Sikhala sy Fadzai Mahere, noho ny sioka momba ny habibiana nataon'ny polisy.
Nisioka momba ny tranga iray niseho tamina fiantsonan'ny taksy tany Harare, renivohitra, i Chin'ono, Sikhala ary Mahere izay nahitana polisy iray voalaza fa “namono nahafaty zaza iray raha teo am-pampiharana ny fepetran'ny COVID-19,” raha nibaby ilay zaza tao an-damosiny ilay renim-pianakaviana hoy ny gazety East African.
“Niparitaka be ny horonantsary nahitana ity tranga ity niaraka tamin'ilay renim-pianakaviana nitomany teo am-pitànana [ny] polisy iray izay voalaza fa nanao herisetra namono ho faty ny zanany,” hoy ny tatitra nataon'ny gazety Zimbabwe Observer.
Rehefa nosamborina i Chin'ono sy i Mahere dia samy nisioka momba ny nanjò azy avy izy ireo:
They say they are charging me with communicating falsehoods for tweeting that a child had been beaten up and died by a police officer! They are taking me to the Law and a order section at Harare Central Police Station.
— Hopewell Chin’ono #TheGoatWantsItsCameraBack (@daddyhope) January 8, 2021
Milaza izy ireo fa miampanga ahy amin'ny fampitana lainga noho ny siokako fa nisy zaza nodarohina ary matin'ny polisy! Nentin'izy ireo tany amin'ny paositry ny polisy tany Harare aho.
Arrested. This regime will never break my spirit.
We need new leaders.??
— Fadzayi Mahere (@advocatemahere) January 11, 2021
Voasambotra. Tsy haharava ny herintsaiko na oviana na oviana ity fitondrana ity.
Mila mpitondra vaovao isika. ??
Nampandre ny besinimaro momba ny fitànana am-ponja miandry azy ihany koa i Sikhala:
Alert Zimbabwe :
I have received information that the Mnangagwa regime wants to arrest me today for the offence which I don't know. They are alleging that I undermined the authority of the police by Twitting about the kid allegedly assaulted by them. I have alerted everyone.
— HON Job Wiwa Sikhala (@JobSikhala1) January 8, 2021
Hazolava Zimbaboe:
Nahazo vaovao aho fa mikasa ny hisambotra ahy anio ny fitondrana Mnangagwa noho ny heloka izay tsy fantatro. Milaza izy ireo fa nanitsakitsaka ny fahefan'ny polisy aho tamin'ny fandefasako sioka momba ilay zaza voalaza fa nanaovan'izy ireo herisetra. Mampandre ny rehetra aho.
Taty aoriana dia nolavin'ny polisy ny filazana fa novonoina ilay zazakely, ary nanamafy izy ireo fa natao fizaham-pahasalamana ilay zaza ary tsy nisy ny ratra tokony hahafaty azy.
Voampanga tamin'ny famoahana na fampitana lainga manaratsy ny fanjakana izy telo ireo tamin'ny fanitsakitsahana ny Andininy faha 31(a)(iii) amin'ny fehezan-dalàna momba ny heloka bevava , izay mivaky toy izao:
Any person whether inside or outside Zimbabwe publishes or communicates to any other person a statement which is wholly or materially false…realizing there is a real risk or possibility of undermining public confidence in a law enforcement agency…or the Defense Forces of Zimbabwe…shall whether or not the publication or communication results in a consequence referred to (above), be guilty of publishing or communicating a false statement prejudicial to the state and liable to a fine…or imprisonment for a period not exceeding twenty years or both.
Ny olona rehetra, ao anatiny na ivelan'i Zimbaboe, mamoaka na mampita amin'ny olon-kafa fanambarana izay diso tanteraka na ara-materialy… hita fa tena atahorana na mety hanimba ny fitokisan'ny besinimaro ny mpitandro ny filaminana… na ny Fiarovam-pirenena ao Zimbabwe… na miteraka voka-dratsy voalaza (etsy ambony) na tsia ny famoaham-baovao na ny serasera, dia meloka amin'ny famoahana na fampitana fanambarana diso manoso-potaka ny fanjakana ary iharan'ny lamandy… na fampidirana am-ponja mandritra ny fotoana tsy mihoatra ny roapolo taona na izy roa.
Miatrika sazy 20 taona an-tranomaizina izy ireo, raha meloka.
Nomen'ny mpitsara tao Harare, Trynos Utahwashe fahafahana vonjimaika i Mahere rehefa nandoa onitra solofonja, ny 18 Janoary, rehefa avy nigadra fito andro tany am-ponja.
Nilaza ny mpandinin-draharaham-panjakana, Veritas fa tsy ara-dalàna ny fisamborana azy telo lahy ary tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny fiampangana azy ireo. “Nahoana ary izy telo ireo no voampanga ho nandika ny Andininy faha 31 (a)(iii), izay tsy ary tsy mbola lalàna manan-kery hatrizay?” hoy ny Veritas nanamafy.
“Tokony ho fantatra fa tsy hoe lasa tsy nanan-kery ilay andinin-dalàna rehefa nanambara izany ho foana ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana fa tsy nanan-kery mihitsy izany satria nandika ny lalàm-panorenana teo aloha; fanambarana tsotra momba ny zava-misy araka ny lalàna ny fanambaràn'ny fitsarana,” hoy i Veritas tao anaty fanambarana .
Milaza ny andininy faha-3 amin'ny lalàmpanorenana teo aloha fa “ny lalàmpanorenana no lalàna faratampon'i Zimbaboe, ary raha misy lalàna hafa tsy mifanaraka amin'ity lalàmpanorenana ity dia tokony hofoanana izany lalàna hafa izany raha tsy mifanaraka aminy.” Mitovy amin'izany tanteraka ny andininy fa 2 (1) amin'ny lalàmpanorenana ankehitriny. “Fa nahoana ary no voampanga ho mandika ny andininy faha-31 (a) (iii) izy telo ireo , izay lalàna tsy manan-kery sady tsy mbola nanankery hatrizay ?” Hoy ny Veritas.
Nolaniana tamin'ny fahaleovantena tamin'ny taona 1980 ny lalàmpanorenan'i Zimbabwe taloha . Saingy, nankatoa ny lalàmpanorenana vaovao ho an'ny firenena ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin'ny 16 Martsa 2013.
Tsy nahazo fahafahana vonjimaika tamin'ny 14 Janoary i Chin'ono sy Sikhala. Samy mbola notanana vonjimaika any amin'ny paositry ny polisy izy roa, ao anatin'ny tahotra ny ho voan'ny COVID-19.
The current pre-trial detentions, delays of proceedings & bail denials without serious charges are questionable, especially in times of #COVID19 . The infection risk in jail is high due to overcrowding & lack of hygiene. We know this because we support prisons through @VSOZimbabwe pic.twitter.com/wvSPPmdZPe
— EU in Zimbabwe ?? (@euinzim) January 13, 2021
Mampametra-panontaniana ny fitànana mialoha ny fotoam-pitsarana, ny fanemorana ny fizotran'ny fitsarana sy ny fandavana ny fahafahana vonjimaika tsy misy fiampangana goavana, indrindra amin'ny fotoanan'ny #COVID19. Ambony ny tahan'ny fifindran'ny valan'aretina any am-ponja noho ny fahabetsahan'ny olona sy ny tsy fahampian'ny fahadiovana. Fantatsika izany satria manohana ny fonja izahay ao amin'ny @VSOZimbabwe pic.twitter.com/wvSPPmdZPe
Tsy vaovao amin'ny fonjan'i Zimbaboe i Chin'ono.
Tamin'ny 20 Jolay 2020 dia nosamborin'ny governemanta izy ary nampangaina ho nandrisika herisetra tamin'ny alàlan'ny sioka ho fanohanana ny hetsi-panoherana manohitra ny governemanta – fikasana noravan'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny 31 Jolay 2020. Nosamborina tamin'ny 21 Aogositra 2020 ny depiote mpanohitra Sikhala taty aoriana noho ny fanentanana io fihetsiketsehana io ihany. Voampanga ho nandrisika ny vahoaka hanao herisetra izy roa ireo. Nahazo fahafahana vonjimaika i Chin'ono sy Sikhala tamin'ny volana Septambra 2020.
‘Mbola manjaka hatrany ny tsimatimanota amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona’
Tamin'ny 19 Janoary 2021, nampitandrina ny amin'ny “tsimatimanota” izay mampiavaka ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Zimbabwe ny Iraky ny Vondrona Eropeana:
Two years on, investigations are lacking and impunity continues to prevail on human rights violations perpetrated in #Zimbabwe in January 2019. #NoZIMpunity https://t.co/zHMZDmz8aV
— EU in Zimbabwe ?? (@euinzim) January 19, 2021
Roa taona aty aoriana, tsy ampy ny fanadihadiana ary mitohy hatrany ny tsimatimanota amin'ny fanitsakitsahana zon'olombelona ao #Zimbaboe tamin'ny volana Janoary 2019.
Tamin'ny 17 Janoary 2019, nipoaka ny korontana nanerana ny firenena taorian'ny nanambaran'ny filoha Emmerson Mnangagwa ny fiakaran'ny vidin-tsolika tampoka amin'ny 150 isanjato, izay niteraka hetsi-panoherana nahery vaika andro maromaro. Araka ny Human Rights Watch , nahatratra 17 ny olona maty ary maro hafa no naratra sy nogadraina tsy ara-dalàna taorian'ny fampiasan'ny mpitandro ny filaminana hery tafahoatra mahafaty:
A crackdown by security forces against protests in Jan 2019 resulted in the deaths of 17 Zimbabweans. Two years on we continue to call for accountability and on the govt to enact political and economic reforms that will benefit all Zimbabweans #ActiononReform #StandUp4HumanRights
— UKinZimbabwe (@UKinZimbabwe) January 19, 2021
Nahafatesana Zimbaboeana miisa 17 ny famoretana nataon'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny fihetsiketsehana tamin'ny volana Janoary 2019. Roa taona aty aoriana, mbola mitohy ny fitakianay ny tamberin'andraikitra sy ny hametrahan'ny governemanta ny fanavaozana ara-politika sy ara-toekarena hahazoan'ny Zimbaboeana rehetra tombony
Niseho ny fanambaràn'ny Vondrona Eoropeana noho ny fisamborana hatrany ireo feo manohitra.
Na eo aza ny fiovan'ny miaramila mpiambina izay niafara tamin'ny fametraham-pialan'ny governemantan'Itompokolahy Robert Mugabe tamin'ny Novambra 2017, mbola nanatri-maso ny tranganà fanitsakitsahana lavareny ny zon'olombelona ny firenena. Nisy fiantraikany ratsy tamin'ny endrik'i Zimbaboe izany tamin'ny resaka fampiasam-bola tsara tany an-toerana.
Velom-panantenana tamin'ny toekarena tsaratsara kokoa sy ny fanajana ny zon'olombelona ny olom-pirenena rehefa naongana i Mugabe. Naharitra nitondra ela an'i Zimbaboe hatramin'ny taona 1980 tamin'ny tana-mahery izy.
Na izany aza, efa-taona taorian'ny fanonganam-panjakana, vao mainka niharatsy ny raharaha. Nitohy ny fanenjehana ny mpanohitra avy amin'ny mpitandro ny filaminana, na amin'ny alàlan'ny fomba ara-dalàna na ivelan'ny lalàna. |
https://mg.globalvoices.org/2021/01/28/150765/ | Nahazo loka ara-kolontsaina lehibe ny Foibe ara-kolontsaina Fendika ao Addis Ababa | 2021-01-28T05:08:17 | Unknown | Tarika mpihira monina ao Addis Ababa i Fendika. Tarihan'ilay mpandihy/mpanao soradihy Melaku Belay, mamelona toerana iray, mitety, mandrakitra ary manatontosa hira amin'ny alalan'ny anarana Fendika. Saripikan'i Ninara avy ao Helsinki, Finland, via Wikimedia Commons CC BY 2.0 .
Ao amin'ny tanàna misomebiseby an'i Addis Ababa, Ethiopia, mirohotra ao amin'ny foibe ara-kolontsaina Fendika ny mpitsidika hihaino hanatrika mivantana hira Ethiopiana. Rehefa tafiditra ao amin'io azmari bet (teny Amharika milaza ny lapan-kira nentim-paharazana) io, izay miorina manodidina an'i Kazanchis, dia mahatsapa ianao fa tahaka ny any amin'ireny fivoriam-pianakaviana ireny. Ahitana efitrano maro misy fanaka, ka anatin'izany ny tahalan'ny hira, trano fitaratry ny zavakanto sy fisakafoanana Ethiopiana ary trano fisakafoana kafe, fandraisana ireo nandeha lavitra sy ireo mponina eo an-toerana ary ireo toerana hanehoana hafaliana misitraka hira mivantana sy antsan-tononkalo hatramin'ny taompolo 1990s — fony mbola maro dia maro ny azmari.
Ankehitriny, noho ny fivoarana sy fiitarana haingana dia haingana ao Addis Ababa, dia mitoetra ho hany lapan-kira nentin-drazana tokana ao Kanzanchis i Fendika. Rehefa nanomboka nitantana an'i Fendika i Melaku Belay, mpihira sady mpandihy nentin-drazana, tamin'ny taona 2008, dia nataony ho tahalan-javakanto mivelatra sy feno kokoa i Fendika, nananganany rafitra mba hahatonga ireo mpiasan'ny Fendika miisa 33 handray karama fa tsy tolotolotra. Izany vina napetrany izany no nitarika ho amin'ny fananganana ny Foibe Ara-kolontsaina Fendika tamin'ny taona 2016.
Tamin'ny volana desambra i Fendika nahazo ny loka manandanja Prince Claus avy amin'ny Vatsin'ny Prince Claus avy ao Niederland ho an'ny Kolontsaina sy ny Fampandrosoana, ho fankatoavana ny fiezahan-dry zareo amin'ny fampivelarana ny kolontsaina sy ny fampandrosoana ao Ethiopia. Fendika no iray amin'ireo fito hany nahazo ny lokan'ny Prince Claus taona 2020 nambara tamin'ny lanonana anjotra tamin'ny 2 desambra.
“Ny fifampiraiketana amin'ny mari-panondroanay no manampy anay handroso,” hoy i Belay tamin'ny Prince Claus. “ny mahatonga ny asanay ho tsy manampaharoa dia ny famelomanay ny fomban-drazana amin'ny alalan'ny zavakanto. …Amin'ny alalan'ny zavakanto ihany no hamolavolana fifampiraiketana mahaolombelona lalina,” hoy izy nanohy.
Ankatoavin'ny loka i Fendika ho “mpanetsika” manome aingam-panahy sy manohana ireo fanehoana fahaiza-mamorona — avy amin'ny nentin-drazana ka hatramin'ny amin'izao fotoana — ao anatin'i Ethiopia, ary amin'ny alalan'ny fiaraha-miombon'antoka sy fiaraha-miasa maro dia maro manerantany .
Araka ny tranonkalan'ny Fendika, manao fampisehoana ao isaky ny zoma tapabolana ao amin'i Fendika ny tarika vako-drazana Ethiocolor hatramin'ny taona 2009, “mahazo olona maro dia maro izay mitsangana avokoa ny mpijery ,” sady manana fandaharam-potoana hanao fitetezan-tany manerana izao tontolo izao, hatrany Frantsa ka hatrany Israely, mandalo an'i Etazonia ka hatrany Zanzibar.
Nandritra ny valan'aretina, tratran'ny voina tahaka ireo sehatra sy toeram-pivoriana maro hafa tao Ethiopia i Fendika. Nitsahatra ny fitetezan-tany ary nanapa-kevitra ry zareo ny hanakatona ny Fendika tao Addis Ababa, tamin'ny 16 marsa, andro vitsy monja mialoha ny namoahan'ny governemanta ny taratasy fanidiana ireo toeram-pampisehoana rehetra, ka hotontosaina anjotra amin'ny alalan'ny YouTube sy ny Facebook ny fampisehoana mivantana. Tsy niala vehana mihitsy i Belay raha ilaina ny miditra anjotra noho ny zavakanto ary niezaka izy sy ekipany nanatontosa fampisehoana anjotra na dia tsy mety tapitra aza ny fanamby amin'ny tsy fahamarinan-toeran'ny aterineto sy ny fahatapatapahany noho ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika ao Ethiopia .
Tsy afa-misaraka amin'ny hafa-pitiavana, rariny ary firaisankina ny fampisehoan'ny Fendika ary ireny soatoavina ireny no mamela sy mamolavola ny programany rehetra, araka izay hita amin'ity fandaharana mivantana natao tamin'ny 28 mey ity.
Nampitanàka ny mpijery tamin'ny fampisehoana feno angovo sy mahavalalanina nataon'i Belay, filoha mpanorina ny Fikambanana Dihy Ethiopiana, tamin'ny fanaovana eskista, dihy ara-kolontsaina nentin-drazana Amhara izay mifantoka amin'ny fampandihizana soroka haingana dia haingana. Ny fifehezany io endrika dihy io “no nahatonga azy hahazo ny anaram-bositra ‘horohorontany mandehandeha’ sy ‘Mpanjakan'ny Eskista,'” araka ny tranonkalan'ny Fendika . Nampiana-tena i Belay, nianatra ny ankamaroan'ny dihy nentin-drazan'i Ethiopia fony ankizy nihalehibe teny an-dalambe tao Addis Ababa tamin'ny taompolo 1980.
Mpankamamy hira i Belay ary nahazo loka maromaro tamin'ny fiarovany ny zavakanto sy ny fitarihany sady mbola mijoro amin'ny tany ny tongotra amin'ny fitiavany hira, tafiditra amin'izany ireo fotoana mahafinaritra ataon'ny “DJ Melaku” manasongadina ireo kalazan'ny jazz Ethiopiana.
Koa satria andalam-piovana hatrany i Addis ary mihamanjavona amin'ny anaran'ny fandrosoana ny azmaris, dia manohy hiady ho amin'ny fikajiana sy fampivoarana ny hira sy ny vakoka Ethiopiana – indrindra fa ny vakoka azmari – ry Belay sy ny vondrom-piarahamonina Fendika. |
https://mg.globalvoices.org/2021/02/01/151321/ | Mihenjana ny tady eo amin'i Etiopia sy Sodàna, iadian'izy ireo ny faritr'i Al-Fashqa | 2021-02-01T16:37:03 | Unknown | Lehilahy iray miasa eny an-tsaha ao Al-Qadarif, Sodàna. Sehatra isian'ny ady efa nandritra ny taona maro io faritra iray ifandroritana ao amin'ny sisintany iraisan'i Etiôpia sy Sodàna io. Sary an'i Bibi Eng , nampiasàna lisansa CC BY-NC-SA 4.0 .
Raha tsy asiana fanamarihana manokana, mankany amina pejy amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra.
Tsy mitsahatra mitombo ny fihenjanan'ny tady ao amin'ilay faritra sisintany iraisan'i Etiôpia sy Sodàna ao amin'ny faritra mamokatra any Al-Fashqa , taorian'ireo herinandro maro nisian'ny fifandonana nifanaovan'ny tafika sodaney sy ny tafika etiôpiàna tamin'ny Desambra.
Ny 14 Janoary, dimy raha kely indrindra ireo vehivavy maty nandritra ny andiam- panafihana farany tany amin'ny sisintany .
Nampangain'i Dina Mufti, mpitondra tenin'ny ministeran'ny raharaha ivelany ao Etiôpia , ny tafika sodaney ho tsy nanaja sy nandingana ny sisintany etiôpiàna , izay nadikany ho toy ny fikasàna hamaly faty ireo milisin-tsisintany etiôpiàna nanafika ireo sodaney mpamboly.
Ara-teknika dia ao anatin'ny faritanin'i Sodàna, any amin'ny fanjakan'i Al-Qadarif no misy ny faritr'i Al-Fashqa, saingy nipetraka efa an-taonany marobe tao ry zareo Etiôpiàna, ary efa fotoana naharitra ela no nisy ny fifandonana eo amin'ireo vondrona roa ireo.
Sarintany maneho an'i Etiôpia miloko maitso, ary Sodàna miloko volomboasary. Sary an'i PlanespotterA320 tao amin'ny Wikimedia Commons, nampiasàna lisansa CC0 .
Hatramin'ny Novambra 2020, vao mainka nihamafy ny fihenjanana rehefa nisy Etiôpiàna 50.000 mpitsoaponenana nandositra nanatona ny sisintany manasaraka an'i Sodàna sy Etiôpia, rehefa nipoaka ny ady tao amin'ilay faritra farany avaratra indrindra ao Tigré, nifanaovan'ny governemanta federaly etiôpiàna sy ny Mandatehezana ho fanafahana ny vahoaka ao Tigré (TPLF), antoko pôlitika iray ao amin'ny faritra.
Omar Qamar al-Din, minisitra mpisolo toerana misahana ny raharaha ivelany ao Sodàna, niaro ny tafika sodaney, tamin'ny filazàna fa tao anatin'ny faritry ny sisintany tao Sodàna izy ireo no nihetsika. Nampiany hoe tsy mitady ny hisian'ny ady i Sodàna [ar] raha tsy hoe voahitsakitsaka ny sisintaniny.
Ny 15 Desambra, nilaza ho tratry ny velapandrika nataon'ireo milisy etiôpiàna ny tafika sodaney raha iny izy nanao sava hao ny faritra an-tendrombohitra tao Abu Tor iny. Fanafihana nahafatesana olona efatra raha kely indrindra ary naharatràna am-polony tamin'ireo miaramila sodaney .
Hamdok, praiminisitra sodaney, nibitsika ny ahiahiny momba io toedraharaha io, nilaza hoe :
بسم الله الرحمن الرحيم بيان من مجلس الوزراء الانتقالي
ظل مجلس الوزراء يتابع بحرص واهتمام الأحداث في دولة إثيوبيا الشقيقة والتي بدأت منذ ما يقارب الأسابيع الستة. واستقبلت بلادنا الآلاف من اللاجئين الفارين عبر الحدود الشرقية، وأفاض شعبنا من كرمه المعلوم رغم الظروف الاقتصادية…
— Abdalla Hamdok (@SudanPMHamdok) December 16, 2020
bitsika voalohany : Lazain'ny fanambaràna iray nataon'ny ministera fa tohizan'ny Filankevitr'ireo Minisitra ny fanarahana maso akaiky sy am-pahalinana ireo zavatra rehetra mitranga ao amin'ilay firenena rahavavy, Etiôpia, izay efa ho herinandro enina teo ho eo no nanombohany. An'aliny maro ireo mpitsoaponenna noraisin'ny firenentsika rehefa nandositra avy any amin'ny sisintany atsinanana, ary tamin'ny fahalalahan-tànana efa ahafantarana ny vahoakantsika na eo aza ny zavamisy ara-toekarena sarotra sy voafetra iainantsika. bitsika faharoa : Omaly, Talata alina, raha iny niverina avy any amin'ny faritra manodidina ny tendrombohitra Abu Tor ao anatin'ny sisintanintsika iny ny tafika, dia tratry ny velapandrika nataona miaramila sy milisy etiôpiàna vitsivitsy tao anatin'ny faritany sodaney, niteraka fahafatesana ary fanimban-javatra. bitsika fahatelo : Ambaran'ny Filankevitr'ireo Minisitra ny fanohanany ny tafika izay manentsina ny banga ary miaro ny firenena, tamin'ny fanamafisany ny fitokisany amin'ny fahaizamanaon'ny tafitsika mba hiarovana ny sisintanintsika amin'izay rehetra mety ho herisetra.
Nandritra ny volana Desambra 2020, nitarin'ny tafika sodaney tany amin'ny faritra lehibe indrindra tao Al-Fashqa ny fanarahamaso ataony, ary taorian'ny nanandramany hitody any amin'ny toerana fanarahamaso farany , vitany ny naka ny fifehezana ny faritra manontolo nanomboka tamin'ny 1 Janoary teo.
Ny 13 Desambra, nisy delegasiôna ambony avy ao Sodàna nandeha nankany Etiôpia, ka tanjona ny hanao fifampidinihana mandritra ny andro roa, saingy taorian'ny ora vitsivitsy monja, niverina nankany Karthoum ilay delegasiôna, nahatonga fametrahana fanontaniana marobe.
Ny tantaran'i Al-Fashqa
Eo ambany fifehezana sodaney ilay faritra miteraka fifandroritana ao Al-Fashqa, araka ny fifanarahana iray nifanaovan'ny anglisy sy ny etiôpiàna vita sonia tamin'ny 1902, teo amin'ny Amperora etiôpiàna Menelik II sy Grande-Bretagne nisolo tena an'i Sodàna, fony Sodàna mbola zanatany britanika. Io fifanarahana io dia mamaritra ireo sisintany sodaney iraisany amin'i Etiôpia manaraka ireto fepetra ireto :
The frontier between the Sudan and Ethiopia agreed on between the two governments shall be: the line which is marked in red on the map annexed to this Treaty in duplicate, and traced from Kher Um Hagar to Gallabat, to the Blue Nile, Baro, Pibor, and Akobo River to Melile, thence to the intersection of the 6th degree of north latitude with the 35th-degree longitude east of Greenwich.
Ny fanapahankevitra niraisan'ny governemanta roa tonta momba ny sisintany iraisan'i Sodàna sy Etiôpia dia ho toy izao: ireo tsipika nolokoina mena eo amin'ny sarintany araikitra amin'ity Fifanarahana ity, atao dika mitovy, ary voasoritra manomboka ao Kher Um Hagar ao Gallabat, hatreo amin'ny Nil Bleu, Baro, Pibor sy ny renirano Akobo hatrany Melile, ary manomboka eo ka hatrany amin'ny fifanojoan'ny fehintany 6° ao avaratra sy ny zarahasina 35° ao atsinanan'i Greenwich.
Misy dika iray avy amin'ilay sarintany , natonta tamin'ny 1909 tany Londona, Angletera, azo jerena ety anaty tambajotra .
Hatramin'ny 1902, ireo tsatoka manondro mazava ny tsipika manasaraka ny roa tonta no nisoroka ireo ady sisintany, saingy noho ny fisian'ny fihotsahana natoraly, tsy misy hita intsony ireny tsatoka ireny.
Tamin'ny 1996, nobodoin'ireo Etiôpiàna nipetrahana ny tao Al-Fashqa ary, rehefa nifandimby ny taona, dia nanorina andiana mpamboly tao ry zareo.
Hatramin'izao andro izao, misy ireo milisy etiôpiàna mamono sivily sodaney mba hakàna ny vokatr'izy ireo rehefa tonga ny fotoana fijinjàna. Endrika manambara ny mety ho fisiana fampiasambola mahazo fanohanana avy amin'ny governemanta etiôpiàna ireo arabe mampitohy ireo andiana mpamboly sy ny ao anatin'i Etiôpia.
Ilay lefitry ny praiminisitra fahiny tao Etiôpia, Demeke Mekonnen, niaky fa Al-Fashqa dia faritra sodaney, fa izay mitranga eny an-kianja kosa dia mifanohitra amin'ireny fifanarahana ireny sy ny kabary aely amin'ny fampitambaovao.
Ady an-kafetsena tsy miseho vatana ve ?
Raha mbola mihamafy ny fifandiran'i Egipta sy Etiôpia momba ilay Tohodrano Goavan'ny Fahaterahan'i Etiopia Indray( le GERD ), misy ny sasantsasany mandefa ny vinavina hoe mety hitodika amin'ny fanaovana ady tsy miseho vatana iarahany amin'i Egipta i Sodàna noho ny ady efa ifanaovany manokana amin'i Etiôpia.
Suleiman Dedefo, masoivohon'i Etiôpia ao amin'ny Emirà Arabo Mitambatra, nibitsika hoe:
The current Egyptian attempt of proxy war on Ethiopia through Sudanese invasion reminds us similar proxy war of 1974 by Saed Barre, of Somalia. Amazingly, TPLF has served as main agent for Egypt on both attempts of proxy wars.
— Suleiman Dedefo, Amb (@SuleimanDedefo) January 15, 2021
Ny fikasan'ny Egyptiàna hanao ady tsy mifanatri-tava amin'i Etiôpia amin'ny alàlan'ny fananiham-bohitr'i Sodàna dia mampahatsiahy antsika ny ady iray mitovitovy amin'io tamin'ny 1974 nataon'i Siad Barre, [filoha tamin'izany nitondra] an'i Sômalia. Mahazendana, ny TPFL no lasa mpisehatra fototra ho an'i Egipta nandritra ireo fikasàna ady roa tsy mivantana ireo.
Ny Zoma taorian'izay, 15 Janoary 2021, nandritra ny antsafa iray ho an'ny gazety, nilaza i Muhammad Al-Faki Suleiman, mpikambana ao anatin'ny Filankevitra momba ny Fiandrianana ao Sodàna :
an'i Sodàna i Al-Fashqa ary takianay amin'ireo manampahefana etiôpiàna ny hisintahany amin'ireo toerana roa ao amin'ny sisintany.
Tsy misy na iza na iza soloinay tena amin'ity ady ity ary lainga daholo izay rehetra nafafy.
Tsy izahay no nandray fanapahankevitra hihantsy ady, fa zonay kosa ny manaparitaka ny tafikay hatrany amin'ny toerana farany indrindra fanarahamaso ny sisintany ao anatin'ny faritry ny firenena sodaney.
Afaka hiatrika ady izahay, saingy vahaolana am-pilaminana no laharam-pahamehana ho anay.
Ny fanapahankevitra hanaparitaka tafika tany atsinanana dia nahazoana ny faneken'ny Filankevi-Pilaminana sy Fiarovana.
Ny 16 Janoary, nanambara i Abdel Fattah al-Burhan, lehiben'ny Filankevitra momba ny fiandrianana sodaney fa neken'ny Filankevitra ny hanapariahana tafika sodaney ho fiantohana ny sisintany iraisampirenena ikambanany amin'i Etiôpia, tafiditra ao anatin'ilay hetsika ara-tafika an'ny praiminisitra Abiy Ahmed izay mikendry ny hanaisotra ny fiadiana any am-pelatanan'ireo mpikatroky ny TPLF, mandateheza ho fanafahana ny vahoakan'i Tigré. Nohamafisiny ihany koa fa tao anatin'ny faritra anatin'ny sisintanin'i Sodàna ihany no naparitaka ny miaramila sodaney.
Samy tsy misy mahazo tombony amin'ny ady ny firenena roa tonta. Manamafy i Sodàna fa ao anatin'ny faritaniny ihany izy no mihetsika, ary Etiôpia manamafy fa milisy no nanao ireo lazaina fa heloka bevava nampiharina tamin'ireo Sodaney mpamboly – fa tsy ny tafi-panjakana ara-dalàna.
Raha tsy maintsy ho vaky ny ady ato ho ato, mety hampiditra ilay faritra ho anatin'ny kizo izany, indrindra fa ny mety hisian'ny fifanandrifian'izany amina fifandirana iray hafa izay vao mipongatra eo amin'i Sômalia sy Kenya . |
https://mg.globalvoices.org/2021/01/15/151017/ | Namely an'i Mozambika ny rivodoza Chalane, namela fahasimbana kely noho ny tafio-drivotra teo aloha | 2021-01-15T03:28:55 | Unknown | Sary fanehoana ny lalana narahin'ny rivodoza Chalane – sarin'ny zanabolana/ pikantsarin'ny Windy Forecast – 28 Desambra 2020
Nandalovan'ny rivodoza Chalane tamin'ny 30-31 Desambra ny afovoan’ i Mozambikana, tany amin'ny faritanin'i Sofala sy Manica.
Efa niomana tamin'ny ratsy indrindra i Mozambika taorian'ny faharavana nateraky ny rivodoza IDAI ny volana Martsa 2019, izay nahafatesana olona maherin'ny 600 ary niteraka fahasimbana betsaka tao an-tanàndehiben'i Beira.
Soa ihany fa nihena ny herin'ilay tafio-drivotra, avy amin'ny henjana ary nihena ho antonony, ary rotsakorana betsaka ihany no nentiny niaraka tamin'ny fahasimbana madinidinika tamin'ny fotodrafitrasa, araka ny voalazan'ny gazety Notícias:
A tempestade tropical moderada Chalane, de categoria dois, cuja previsão inicial dava indicação de que provocaria ventos de 90 quilómetros por hora com rajadas de 110 e epicentro muito perto da cidade da Beira na madrugada de ontem, registou um pequeno desvio de sistema aliviando sobremaneira os residentes desta urbe.
Ny rivodoza Chalane, sokajy faharoa izay voalaza mialoha fa hiteraka tafiodrivotra 90 kilometatra isan'ora manana tafiotra 110 kilometatra isan'ora, manakaiky dia akaiky ny tanàndehiben'i Beira tamin'ny vao maraina ny foibeny, somary nivily làlana kely izy ary tena nampisento ny mponina tao an-tanàna .
Na izany aza, olona efatra farafahakeliny no fantatra fa maty, ny sasany maty an-drano ary ny sasany kosa vokatry ny fikorontanan'ny herinaratra. Nisy ihany koa ny fahasimbana tamin'ny famatsian-jiro, ary olona miisa 600 no nafindra toerana .
Após a tempestade de 30 de Dezembro, 600 famílias do Centro de acomodação de Guara-Guara, no Búzi, ficaram desabrigadas por conta da destruição das suas tendas. A CVM está a apoiar as famílias afectadas e mais vulneráveis na reconstrução dos seus abrigos. @IFRCAfrica @DRKvorOrt pic.twitter.com/SrnEJ0GLhD
— Cruz Vermelha de Moçambique (@CruzVermelhaMOZ) January 3, 2021
Taorian'ny tafiodrivotra ny 30 Desambra, fianakaviana miisa 600 avy amin'ny foibe fialofana Guara-Guara ao Búzi no tsy nanan-kialofana noho ny faharavan'ny tranolainy. Manohana ireo fianakaviana traboina sy ireo marefo indrindra ny CVM amin'ny fanarenana ny fialofana.
Tsy tahaka ny niseho tamin'ny rivodoza IDAI fa maro no nampita vaovao tamin'ity indray mitoraka ity, indrindra fa avy amin'ireo fikambanana misahana ny toetr'andro ao Mozambika. Toy izao ny fanambaran'ny solontenan'ny Firenena Mikambana ao amin'ny firenena, Myrta Kaulard:
As memórias estão ainda muito frescas. Muitas pessoas estão ainda muito vulneráveis. As autoridades se estão preparando muito com informação para a população para evacuar. Muita população já foi retirada na resposta ao Idai, mas sempre há pessoas que voltam a zonas em risco de cheias. Chalane vai trazer ventos fortes, chuvas e maré alta. A maré vai estar alta e isto vai agravar o problema das inundações
Mbola velona ny fahatsiarovana. Betsaka ny olona mbola marefo. Eo am-panomanana vaovao betsaka ny tompon'andraikitra mba hamindrana toerana ny mponina. Betsaka ny olona no nafindra toerana tamin'ny fandalovan'i Idai, kanefa mbola misy hatrany ireo olona miverina any amin'ny faritra atahorana ho tondraky ny rano. Hitondra rivo-mahery, orana ary fiakaran'ny onja i Chalane. Hiakatra ny onja ary vao mainka hampitombo ny olan'ny tondra-drano izany
Roa andro talohan'izay dia niresaka momba ilay rivodoza ny filoha Filipe Nyusi araka ny tatitra nataon'ny DW Português:
Em todo o país estão preparados e alertados, mas para coisas como essas ninguém está preparado porque são situações imprevisíveis em termos de danos. Teremos de ter cuidado e todos os que estão nas zonas de risco é melhor saírem.
Miomana sy mailo [ny olona] manerana ny firenena , fa amin'ny zavatra toa ireny dia tsy misy olona miomana satria toe-javatra tsy ampoizina no mitranga amin'ny resaka fahasimbana. Tsy maintsy mitandrina isika ary tokony hiala daholo ireo izay eny amin'ny faritra tandindonin-doza.
Niresaka tamin'i Acácio Tembe, teknisianina ao amin'ny Ivontoerana Nasionaly misahana ny Toetr'andro, izay nampitandrina ny amin'ny loza ny RFI:
(…) é preciso salientar que esses sistemas, que têm ventos mais fracos, traz muita quantidade de precipitação. Então, podemos ter uma situação de muita chuva, ventos relativamente mais fracos mas com muita chuva, mas também não descuramos, porque são ventos destrutivos. Estamos a falar de rajadas de 120, 130 kms por hora.
(…) Tsy maintsy hamafisina fa mitondra orana betsaka io karazana tafiodrivotra io izay tsy dia mahery ny rivotra entiny. Noho izany, mety hisy ny orana betsaka, somary maivana kokoa ny rivotra saingy miaraka amin'ny orana betsaka, ary tsy tokony hamaivanintsika izany, satria mitondra fanimbana ilay rivotra. Tafiodrivotra 120, 130 km isan'ora no resahintsika.
Fantatra fa andalovan'ny rivodoza matetika i Mozambika noho ny toerana misy azy, izay matetika mihasarotra noho ny tsy fahampian'ny fahaiza-manao hiatrehana izany tranga izany. |
https://mg.globalvoices.org/2021/02/03/151338/ | Naverina indray ny lalao football mozambikana ary vehivavy avokoa ny mpitsara telo tamin'ny fisantarana izany | 2021-02-03T05:09:47 | Unknown | Andro faha-22 Moçambola Maxaquene 2 – 1 FC. Chibuto, av y @ Verdade izay nametrahana lisansa CC BY 2.0
Niverina holalaovina tamin'ny 16 janoary indray ny fifaninanam-pirenena ho tompondakan'i Mozambika amin'ny sehatra matihanina amin'ny football, izay fantatra amin'ny anarana hoe Moçambola rehefa niato nandritra ny 10 volana noho ny valan'aretina COVID-19.
Nisy zava-baovao ny lalao fanokafana nifanandrinan'i ENH Vilankulo tamin'i Ferroviário de Nacala, izay niafara tamin'ny fandresen'i Vilankulo: sambany teo amin'ny fifaninanana ho tompondaka no vehivavy avokoa ny mpitsara tamin'ny lalao.
Nosoritan'ny gazetim-panatanjahantena Lance tao an-toerana ny tantaran'ireo vehivavy telo mpitsara lalao :
Esta equipa de arbitragem será dirigido por Ema Paulo Novo, contando com Roda Mondlane (1º assistente) e Olinda Augusto (2º Assistente), enquanto que Mário Tembe será o quarto árbitro.
Ema Paulo Novo tem se destacado no futebol moçambicano, sendo que a árbitra internacional foi das poucas que esteve em actividade no ano passado tendo arbitrado jogos da Taça COSAFA em femininos, decorrida em Port Elizabeth na África do Sul.
Ny ekipam-pitsarana dia hotarihan'i Ema Paulo Novo, miaraka amin'i Roda Mondlane (mpanampy voalohany) sy Olinda Augusto (mpanampy faharoa), raha i Mário Tembe kosa no ho mpitsara fahaefatra.
Tsy zoviana amin'ny football mozambikana intsony i Ema Paulo Novo, ary ity mpitsara iraisampirenena ity no iray amin'ireo vitsy navitrika tamin'ny herintaona nitsara lalao nandritra ny amboara COSAFA vehivavy, notontosaina tao amin'ny Port Elizabeth tao Afrika Atsimo.
Tsy hisy mpijery ny fifanandrinana Moçambola mandra-pisian'ny filazana vaovao, natao izany hisorohana amin'ny fifindran'ny COVID-19. Hatramin'ny fotoana nanoratana, nahatratra 29.396 ny fitambaran'ny tranga voarakitra ary 271 no matin'io aretina io tao Mozambika.
Misy ireo mpanohana sasany no mitaraina amin'ny toe-draharaha, toa an'i Maria Mufume, izay niteny tamin'i DW Africa tao Maputo :
É triste para todo o mundo, porque não haverá adeptos e só estarão lá eles a jogarem, não terão pessoas para dar moral.
Mampalahelo izany ho an'ny rehetra, satria tsy hisy ny mpanohana fa izay milalao ihany, tsy hisy ny olona handrisika.
Saingy na ireo mpilalao ihany aza dia manaiky ny maha-zavadehibe ny fepetra ifehezana ny fielezan'ny viriosy, araka izay nolazain'i Augusto Panguane, filoha-lefitra ny ligin'ny football mozambikana avo lenta azy :
Naturalmente, deve existir em todos os campos a lavagem das mãos e tanques de água. Isto vai nos obrigar a criar condições para que o futebol não seja um problema sanitário.
Mazava loatra fa tsy maintsy apetraka amin'ny kianja rehetra ny fanasana tanana sy ny koveta fitoeran-drano. Izany no hanery antsika hanangana fepetra fa tsy olana ara-pahasalamana ny football. |
https://mg.globalvoices.org/2021/01/04/150829/ | Fitantanan'ny Roandey nandritra ny valanaretina: Fotoanan'ny fandinihantena izao | 2021-01-04T15:23:40 | Unknown | Haingana be sy nahomby ny valinkafatr'i Roandà tamin'ilay valanaretina, niaraka tamin'ity fitaovana fanasàna tànana eo amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana ao Kigali ity, tamin'ny tapaky ny Martsa. Sary an'i Cyril Ndegeya, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.
Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Tao amin'ny bilaogin'ny Friedrich Ebert Stiftung ity lahatsoratra ity no nivoaka voalohany ary nahazoana alànana ny famerenana mamoaka azy rehefa avy nasiana fanovàna kely.
Taorian'ny fanondroan'ny Fikambanana Iraisampirenena misahana ny Fahasalamàna an'ilay coronavirus hoe valanaretina, i Roandà no firenena voalohany indrindra tao Afrika niditra tamin'ny fihibohana. Ny 23 Martsa, namoaka didy hanaovana fihibohana tanteraka ny governemanta, nametraka fepetra henjana amin'ny fivezivezena ary nanakatona ireo anjerimanontolo mba hampihena ny fiparitahan'ny viriosy tao amin'ny firenena. Nanomboka teo, 7.970 ireo tranga COVID-19 voamarina , ka 74 no maty ary 6.289 no sitrana tao Roandà, hoy ny Anjerimanontolo Johns Hopkins.
Ny lasitra fitantanana tao Roandà dia niorina teo ambonina fitantaràna roa nifaninana: tetsy ankilany ny tantaran'ny maha”malala-tànana mahatehotia,” ohatry ny fandrosoana mahomby ao Afrika no itazanana ilay firenena. Firenena iray tsy refesimandidy ihany koa izy, mifototra amin'ny tanjaka ara-toekarena sy ara-politika mivangongo eo an-tanan'ny antoko eo amin'ny fitondrana, ny Rwandan Patriotic Front, izay mifehy ireo fitaovam-piarovana rehetra eo amin'ny fanjakana sy tompon'ireo orinasa vaventy ao amin'ny firenena. Nanangana ny maha-mamimbahoaka azy teo ambonin'ny firoboroboana ara-toekarena malaky tao amin'ny firenena io lasitra fitantanana io.
Rariny ny an'ireo sasany mpikirakira vaovao pôlitika mihevitra ny fampiasàna ny fiparitahan'ilay valanaretina ho toy ny mari-pandrefesana hijerena ny natiora sy ny kalitaon'ireo andrimpanjakana eo amintsika. Ary ny teboka fiaingàna mibaribary dia ny fandinihana ireo tanjaka sy halemen'ny fitaovam-panjakana, ary ny fomba entin'ny fitondrana mamaly ny filan'ny vahoaka.
Fotoana fohy taorian'ny nanambaran'ny governemanta ny fihibohana manerana ny firenena, nàka ny media sôsialy ny vahoaka, — indrindra ireo Roandey tao amin'ny Twitter (nopetahana anarana hoe RWoT) —nanainga ny governemanta mba hanome vonjy taitra ho an'ireo fianakaviana tena marefo ary hametraka haingana fepetra ara-toekarena hanentsenana ny banga araka izay tratra.
Ese iyi nkunga ya Miliyoni 12 itanzwe na ADEPR izagera ku bakene bazonzwe na #COVID19 , cyangwa izarigiswa na ba Mudugudu & ba Mutwarasibo nk'uko byagenze mu itangwa riheruka muri @Gasabo_District hafi yose? Habura iki ngo iyi gahunda ikurikiranwe? @ashyaka https://t.co/Ugvn4n3re6
— NTWALI John Williams (@intwarane) April 2, 2020
Ho tonga any aminireo mahatra voan'ny #COVID19 ve io fanampiana mitentina 12 tapitrisa dolara amerikàna avy amin'ny ADEPR io? Sa hozarazaraina amin'ireo mponina am-bohitra & Mutwarasibo ( lehibe-na vondrompiarahamonina) toy ny nisy nandritra ilay olana farany saika nanerana ny tao @Gasabo_District ? Inona no tsy ampy amin'io fandaharanasa io? @ashyaka
Zavadehibe ny famantarana ny toejavatra nasiônaly. Tsy fahita firy izany Roandey manakiana imasombahoaka ny fitondrana izany— indrindra fa ety anaty tambajotra sôsialy —noho ny tsy fahavitàn'ny governemanta amin'izao fotoana izao mandefitra amin'ny fanakianana atao azy. Mazana, matahotra haneho ny ahiahiny ny vahoaka noho ny famoretana ataon'ny fanjakana sy ny fampiasàny ny fahefany tsy refesimandidy mba hitazonana ny fifehezana.
Rehefa nanomboka tao Roandà ilay valanaretina, betsaka no tonga hatrany amin'ny fitakiana hisian'ny mangarahara kokoa avy amin'ny governemanta momba ny fitantanana ny tahirim-pirenena Agaciro Fund ( agaciro midika hoe “mendrika” amin'ny fiteny Kinyarwanda). Notakian'ireo olompirenena tamin'ny governemanta ihany koa ny antony tsy mbola nanapahany hevitra hampiasa ampahany tamin'ireo tahiriny manokana mba ho entina hanalefahana ny fiantraika ara-tsôsialy sy ara-toekarenan ‘ity krizy ity, fa tsy nanontany ny Banky Iraisampirenena na ny Tahirimbola Iraisampirenena momba izay fampindramambola na drafi-panavotana.
Due to the 6weeks lockdown in #Rwanda as a result of the #Covid19 pandemic, food supplies are the most urgent need for the poor and needy. Solace Ministries has been trying to support its beneficiaries with food relief. For more, go to https://t.co/BsoqoXcodp . #communitysupport pic.twitter.com/JKRxJT3nET
— Aderemi Banjoko (@AderemiBanjoko) May 13, 2020
Noho ny fihibohana nandritra ny 6 herinandro tao #Rwanda vokatry ny valanaretina #Covid19 , tena maika be ny filàna famatsiana sakafo an'ireo mahantra sy tena mila izany. Ezahan'ny Solace Ministries ny manohana ireo mpandary tombontsoa ao aminy amin'ny alàlan'ny fanampiana ara-tsakafo. Raha hizaha bebe kokoa, tsidiho ny https://t.co/BsoqoXcodp . #communitysupport pic.twitter.com/JKRxJT3nET
— Aderemi Banjoko (@AderemiBanjoko) 13 May 2020
Avy any ivelany no naka aingam-panahy ry zareo mponina ao, tamin'ny fomba niatrehan'ny firenena hafa ny fiantraika ara-toekarena naterak'ity krizy ity. Ankoatra izany, tena zavadehibe ny mahatakatra ny fifohazana tampok'ireo olompirenena tao, indrindra fa tao anatin'ny toejavatra misy ny firenena iray izay ny fijery ofisialin'ny governemanta no mibahana eny anatin'ny fampahalalambaovao ao an-toerana, miaraka amin'ny fahalalahana maneho hevitra voafefifefy, ampivadiana amin'ny fiarahamonina sivily marefo dia marefo.
Na nihodinkodina teo amin'ny 7 isanjato teo aza nandritra ny taompolo farany ny harinkarena faobe tao amin'ny firenena, mijanona ho mahantra, tsy an'asa ary sahirana ara-bola ny ankamaroan'ireo Roandey, ny tanora sy ireo tsy nandia fianarana no ankamaroany. Vokany, hita mitombo be sy matanjaka ny fanehoana hasosorana eny amin'ireo olompirenena—indrindra fa any an-tanandehibe—manoloana ireo kabary ofisialy momba ny fandrosoan'ny firenena sy ny firoboroboana ara-tsôsialy ara-toekarena.
Mandritra izany fotoana izany, ireo firenena mpifanolo-bodirindrina ary mpikambana ao amin'ny East African Community (EAC) toa an'i Kenya dia efa nanambara sahady ireo drafitra ho entina manosika ny toekarena ho entina miatrika ny fiantraika mamoadozan'ny fiparitahan'ilay valanaretina coronavirus. Ogandà, koa, dia efa nangataka sahady fanampiana tetibola fanampiny mitentina 284 miliara shillings ogandey (eo amin'ny $75 tapitrisa dolara amerikàna) ho entina miady amin'ny fiparitahan'ny COVID-19 sy ny ho fiantraikany. Roandà indray etsy andaniny, nanambara tetikady iray ho fanalefahana ny toekarena mba hanampiana ireo fandraharahàna sy ny sehatra tsy mainkina amin'ny fiatrehana ny fiantraika ara-toekarenan'ity krizy ity, na mbola tsy nampahafantarina ny daholobe aza ny antsipirihan'io drafitra io, ary volana sivy aty aoriana, mbola tsy nandray na vary iray venty tamin'izany aza ny sehatra tsy miankina.
Volana maro taorian'ny nampiharana ny fanapahankevitra hanao fihibohana, tsy nasian'ny governemanta resaka ny fitakian'ny vahoaka momba ny fanampiana ara-tsakafo. Nipongatra ireo resabe teny anatin'ny media sôsialy nihevitra hoe zara raha nanome fanampiana na tsy niraharaha velively ireo fianakaviana mahantra ry zareo manampahefana.
Nabaribarin'ity krizy ity ny fifandroritana ara-politika tsy mitsahatra mitombo ao anivon'ny governemanta, raha jerena ny fandroahana tamin'ny Aprily ny minisitry ny atitany sy ny filaminana, Jeneraly Patrick Nyamvumba, ary ny minisi-panjakana tao amin'ny ministeran'ny raharaha ivelany sy ny fiarahamiasan'ny Afrika Atsinanana, ny ambasadaoro Olivier Nduhungirehe. Toa tahaka ny sary maneho ny tsy fisian'ny tetikady mazavan'ny governemanta hiatrehana ity krizy ity io korontana io. Amin'ny fomba ofisialy, noroahana ireo minisitra roa noho izy ireo nandainga tamin'ny filoha, nanao rainazy ary noho izy ireo tsy mitsahatra ny tsy manao afa-tsy izay saim-pantany fa tsy mametraka ny politika nasiônaly eo ampanatontosana ny andraikiny tandrify azy tsirairay.
Androany, toa tsinjo fa tamin'ny alàlan'ity valanaretina ity, montsana ilay anganongano momba ny firenena iray mahay mandamina sy mahomby.
Miaraka amin'ity vanalaretina ity, mipetraka ny fanontaniana momba ny fahamatorana sy ny maha-mamimbahoaka ilay lasitra fitantanana tao Roandà. Mahomby sa tsia hanafoanana ny tsy fitoviana sôsialy sy ny fifandirana ve ny lasitra fampandrosoana tsy refesimandidy? Na eo aza ny fanjakazakàny, mbola marefo ihany ny lasitra pôlitika misy ankehitriny.
Raha ny hasosorana tsy mitsahatra mitombo eny anivon'ny vahoaka izay efa miaritra fahasahiranana, tsy fananana asa ary fahantrana no sainina, mazava fa mety hampangozohozo sy tsy haha-ela velona ny lasitra napetraky ny fanjakana ny tsy fahazakàny fanakianana.
Mbola haharitra am-bolana maro vao hiseho ny fiantraika miteraka fikorontanana tanteraka avy amin'ny krizin'ny coronavirus, raha tsy ho an-taonany mihitsy aza. Mandritra izay fotoana izay, ho an'ireo Roandey miasa loha sy mitebiteby vokatr'izany rehetra izany, dia mety ny hieritreretana momba izay mety ho fiovàna tsaratsara kokoa entin'io fiparitahana io eo amin'ny fiarahamonina Roandey |
https://mg.globalvoices.org/2020/12/30/150818/ | Na inon-kidona, na inon-kihatra, isisihan'i Alpha Condé ny tsy maintsy hahazoana fepotoam-piasàna fanintelony | 2020-12-30T03:02:17 | Unknown | Mpitandro filaminana nandritra ny hetsika iray nataon'ny mpanohitra gineàna avy amin'ny Mandatehezana ho Fiarovana ny Lalampanorenana. Sary an'i Aboubacarkhoraa, nalaina tao amin'ny Wikimedia ary nampiasàna ny lisansa CC BY-SA 4.0
Ny 15 Desambra, nanao fianianana ho an'ny fepotoam-pitondrany fanintelony ny filoha gineàna Alpha Condé taorian'ny fandresena azony tamin'ny fifidianana izay ho filohampirenena natao tamin'ny 18 Oktôbra ary nahazoany alàlana taorian'ny fitsapankevibahoaka iray natao tamin'ny 22 Martsa 2020, niaraka tamin'ireo fifidianana ny ho solombavambahoaka. Efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny taona 2010 ary tokony efa niala tamin'ny fitondrana i Alpha Condé ny taona 2020 raha ny voalazan'ny lalampanorenana gineàna izay tsy manome alàlana afa-tsy fepotoam-piasàna dimy taona roa misesy ihany ho an'ny tsirairay. Na izany aza, vao tonga ny lohataona 2019 , nampahafantatra izy fa mety hanova lalampanorenana amin'ny fampanaovana fitsapankevibahoaka mba hahazoana fepotoam-piasana fanintelony indray.
Nanomboka tamin'ny 2019, niasa fatratra ho amin'io tokoa izy tamin'ny filalaovana ny rafitra pôlitika ka tsy nisalasala nanao hosoka tamin'ny dingam-pifidianana mba hahatratrarany ny tanjony. Nitoroka ireny tsy fanjariana gaovana ireny ireo fikambanana iraisampirenena, ary hatramin'ny fiarahamonim-pirenena sivily gineàna, saingy tsy nisy vokany satria mbola vitany ihany ny nampandany azy indray.
Nandritra ny fifidianana izay ho solombavambahoaka natao tamin'ny 2018, nandefa iraka roa tany Ginea ny Organisation internationale de la francophonie (OIF), mba hanampy io firenena io tamin'ny fizotry ny fifidianana, ary nahamarika tsy fahatomombanana goavana, ary dia nisintaka tamin'ny dingana fanarahamaso. Ao anaty tenimita iray tamin'ny 24 Febroary 2020, manamarika ny OIF fa na teo aza ireo fanamarihana nataon'ny mpitsirika tamin'ny 2018, mbola nahitàna “mpifidy miisa 2 490 664 niteraka olana ihany” tao anatin'ireo taratasy momba ny fifidianana, mpifidy izay tsy nanavao ny fisoratany tamin'ny 2019 teny anoloan'ny Kaomisiôna misahana ny fandrafetana sy fanitsiana ny lisitry ny mpifidy (CAERLE) kanefa dia mbola hita foana ao anatin'ireo taratasy momba ny fifidianana:
Ny fahabangana tsikaritra tao anatin'ireny tarehimarika ireny dia nahitàna betsaka indrindra ny momba ireo mpifidy efa nodimandry, tsy voasoratra anarana ary hatramin'ny anarana miverina. Rehefa atambatra, 98% amin'ireo mpifidy 4 490 664 no tsy manana antontan-taratasy ahafahana mamantatra azy, na dia karazana 6 aza ny taratasy voalazan'ny lalàna fa azo anamarinana ny mombamomba sy ny taonan'ny mpifidy.
Tsy ny OIF irery no nahatsikaritra tsy fetezan-javatra: ny Fiombonamben'ireo firenena ao Afrika Andrefana (CEDEAO), izay fantatra ihany koa fa mankasitraka ny fitondrana amperinasa, dia nisintaka koa tamin'ny zotram-pifidianana gineàna, narahan'ny Firaisambe Afrikana.
Nobodoin'ny fiarahamonimpirenena gineàna
Noho ny fisian-javatra hafahafa, naloan'ny ampahany tamin'ny Kaomisiôna tsy miankina misahana ny fifidianana (CENI) ao Ginea ihany koa ilay fitsapankevibahoaka natao tamin'ny Martsa 2020, ka notsipihany tamin'izany ireo tsy fahatomombanana tao anatin'ny lisitry ny mpifidy.
Araka izany, toy ny fanazavan'ireo mpanao gazety roa avy ao amin'ny guineematin.com , tany amin'ireo faritra rehetra mpanara-dia ny antoko eo amin'ny fitondrana, ny Rassemblement du peuple de Guinée (RPG)-Arc-en-ciel, dia nahitàna tsy fahatombombanana goavana tamin’ ny isan'ireo mpifidy voasoratra anarana:
Fitomboana mihoatra ny 54% teo anelanelan'ny 2015 sy 2019 no nomen'ireo namorona io lisitra io ho an'ireo mponina mpifidy ao Kankan fotsiny [ny tanàna faharoa ao amin'ny firenena ]. Ho an'ny firenena manontolo dia 30% io fitomboana io.
Tena ratsy, tsikaritry ny sasany tamin'ireo kaominina ao amin'ny firenena fa nitombo avo roa heny ny isan'ny mponina afaka mifidy tao aminy tao anatin'ny 4 taona.
Mbola tena ratsy koa, lasa nihoatra noho ny isan'ny mponina afaka mifidy ao aminy ny an'ny sasany amin'ireo kaominina : Mandiana Afovoany (mpifidy = 133.75% amin'ny mponina), Doko (Siguiri) : 104.78%, Kouriah (Coyah : 102.07%).
Baiko tokana ny an'i Alpha Condé : mifikitra amin'ny fitondrana amin'ny fomba rehetra
Noho ny tsindry avy eny an'arabe , neken'i Condé ny hangataka amin'ny CENI mba hamerina hijery ny lisitry ny mpifidy mialoha ny fitsapankevibahoaka, no sady mandà ihany ny hilefitra manoloana ny fitakian'ireo mpiaradia aminy ao amin'ny CEDEAO mba tsy hisisika haka fepotoam-pitondrana fanintelony intsony.
Araka izany, ny isan'ireo mpifidy dia tafaverina ho 5.325.137 raha 7 764 130 teo aloha . Taorian'io fihenana io, vitan'ny Firaisambe Afrikàna sy ny CEDEAO ny niverina nitondra fanohanana ny fifidianana tao Ginea tamin'ny faran'ny Febroary, rehefa noheveriny ho ampy ireny fanitsiana natao tamin'ny lisi-pifidianana ireny.
Ao Ginea, nandà tsy handray anjara tamin'ilay fitsapankevibahoaka anefa ny mpanohitra sy ny fiarahamonina sivily mivondrona ao anatin'ny Mandatehezana ho Fiarovana ny Lalampanorenana (FNDC), ary nampitombo ireo hetsipanoherana. Herisetra no navalin'ny fitondrana izany tamin'ny fanapariahana ireo mpitandro filaminana. Ny 12 Oktôbra, nampahafantarin'ny FNDC fa tao anatin'ny taona iray, tafakatra 90 ny isan'ireo niharamboina.
Naboraky ny Amnesty International (AI) tao anaty tatitra iray tany ampiandohan'ity taona ity fa teo anelanelan'ny Oktôbra 2019 sy ny Febroary 2020:
10 raha kely indrindra ireo fihetsiketsehana noraràn'ny manampahefana, fanitsakitsahana ny zo hanana fahalalahana hanao fihaonana am-pilaminana. Olona efapolo any ho any no tratry ny fitànana am-ponja miafina, any anaty tobin-tafika ao Soronkoni, ao amin'ny faritra Kankan.
Vakio ihany koa: Nahazo alàlana hitifitra raha vao mahita ireo miaramila gineàna
Ao Conakry renivohitra, na ny fitanjozoran'ny mpandevina aza dia petahan'ny mpitandro filaminana ihany koa, hoy ny AI:
Ny 4 Novambra [2019], efatra raha kely ireo olona maty voatifitra tao Conakry nandritra ny filaharana handeha handevina, nokarakaraina hanomezana voninahitra an'ireo olona 11 maty nandritra ireo hetsipanoherana tamin'ny volana lasa. Ny 14 sy 15 Novambra, efatra raha kely ny olona maty nandritra ny hetsipanoherana iray naparitaky ny mpitandro filaminana. Ny 21 Novambra no maty noho ny ratra nahazo azy ny olona fahadimy.
91,59% tamin'ireo vato 2.856.675 nanan-kery tamin'ireo mpifidy niisa 5.325.137 neken'ny CENI no nandàny ny lalampanorenana vaovao, nandritra ilay fitsapankevibahoaka tamin'ny 22 Martsa . Nandritra io fifidianana io, niantso ireo rehetra mpikatroka ao aminy ny mpanohitra mba hanakana ny fanaovana azy io, tamin'ny fanamarihana fisiana tsy fahatomombanana maro hafa toy ny fanovàna ny votoatin'ny lalàna nankatoavina.
Fandresena ho an'i Condé
Ny niafarany dia natao tamin'ny 18 Oktôbra 2020 ihany ny fifidinana izay ho filohampirenena, ka 12 no fitambaran'ireo mpifaninana , izay marobe no minisitra taloha nivoaka avy tao amin'ny governemantan'ny filoha nitondra farany.
Ny kandidà roa nisongadina dia ny filoha Alpha Condé sy Cellou Dalein Diallo, filohan'ny mpanohitra, mpitarika ny Fikambanan'ny Hery Demaokratika ao Ginea (UFDG) ary avy amin'ny foko “ peul ” monina ao avaratry ny firenena izay manome ny ampahatelon'ny mponina. Tsy nisalasalan'i Condé ny nampiasa ny fanondroana ny foko niavian'i Diallo ho entina manaratsy azy . Tao amin'ny faritr'i Kankan, nosakanan'ireo mpikatroka mpiaradia amin'i Condé tsy hanao fampilelezankevitra i Diallo.. Norobain-dry zareo ireo toerampivarotana an'ny Peuls hitany tao an-tanàna ary novonoin-dry zareo ny ombin'ireo mpiompy avy amin'io foko io tao amin'ny soba-prefektioran'i Koumban.
Ny vokany, raha ny vokatra ofisialy dia nandresy tamin'ny fifidianana i Condé ary azony tamin'ny 60% latsaka kely tamin'ireo vato manankery ny fepotoam-pitondrana fanintelony, raha 33% kosa no azon'i Diallo, ilay mpifaninana mivantana taminy. Hatramin'ny andro nanaovana ny fifidianana, ireo mpitandro filaminana no nameno ireo biraon'ny UFDG, tsy nisy anefa na kely aza fanenjehana ara-pitsarana natao azy.
Toy ny fitanisàn'i Elhadj Ousmane Baldé azy araka ilay lahatsoratry ny mpanao gazety Pathé BAH, ho an'ny VisionGuinee.Info, mitohy ny fanamparam-pahefana:
’Miditra an-kery any an-tokantranon'olona ny mpitandro filaminana, mamotika toeram-pivarotana, manjera vilany, manimba fiara sy môtô, fahitalavitra, manapitsoka armoara, manolana vehivavy sy ankizivavy, mangalatra firavaka sy vola, solosaina, telefaona, akanjo, vary, siramamy sy menaka’’ El Hadj Baldé nomena anaram-bosotra hoe “Ilay ambonin'ny lalàna” no Filohan'ny Fandrindràna nasiônalin'ireo “fulbés” [dika ho an'ny peuls] sy ny “haali pular” [dika ho an'ireo mampiasa ny fiteny peul] ao Ginea (CNFHPG).
Tamin'ny kabariny i Condé dia nanasa ireo mpiray tanindrazana aminy “hanadino ny lasa” ka hibanjina “hoavy iray misy firaisankina sy fanantenana”. Saingy ao anatin'ny toedraharaha misy amin'izao fotoana izao, toa sarotra ho tanterahana ny faniriana tahaka izany: mbola maro ireo mpanohitra no any am-ponja ary namoy ny ainy ny mpiaramiasa iray amin'i Diallo; toy ny nanamarihan'i Souleymane Souza Konaté, mpikambana iray avy amin'ny UFDG:
Détenu à la sûreté, célèbre prison du régime actuel, l'activiste et prisonnier politique Roger Bamba est mort. Nous appelons le monde à tenir les dirigeants guinéens pour responsables de l'assassinat des prisonniers politiques. Repose en paix cher oncle ! @Cellou_UFDG pic.twitter.com/eOWND9ter8
— Souleymane souza Konaté (@Dimiola_soloman) December 17, 2020
Voafonja ho fitsinjovana ny filaminana, fonja malazan'ny fitondràna amin'izao fotoana, maty i Roger Bamba ilay mpikatroka sady gadra noho ny pôlitika . Antsoinay izao tontolo izao hitazona an'ireo Gineàna mpitarika ho tomponandraikitra amin'ny famonoana olona nogadraina noho ny pôlitika. Mandria am-piadanana dadatoa malala ! @Cellou_UFDG |
https://mg.globalvoices.org/2021/01/01/150665/ | Mozambika: Nodidiana noho ny fivontosan'ny atidohany ilay mpihira rap Azagaia | 2021-01-01T16:18:10 | Unknown | Azagaia saindo do hospital . Facebook
(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2014)
Nanana olana ara-pahasalamana i Azagaia ary hita fa nisy fivontosana ny lohany. Taorian'izany dia nosokafana ny pejy fanampiana ho an'i Mano Azagaia mba hanangonana vola ho fandidiana azy ny 18 Oktobra 2014, any India. Nampiseho ny vaovao farany, navoaka tao amin'ny pejiny Facebook fa efa nodidiana i Azagaia ary nizotra tsara ny fandidiana:
O mano Aza já foi operado, correu muito bem. Ficou internado de sexta feira passada até ontem, foram 7 dias mas ontem teve alta e já está no hotel em Dehli, ele volta na próxima semana depois de fazer um Check Up no hospital
Efa nodidiana ny rahalahy Aza, vita soamantsara izany. Naiditra hopitaly izy nanomboka ny zoma lasa teo ka hatramin'ny omaly. Efa 7 andro izay saingy omaly izy no nivoaka ny hopitaly ary efa any amin'ny hotely ao Dehli. Hiverina amin'ny herinandro izy rehefa avy nozahana tao amin'ny hopitaly.
Azo narahana tao amin'ny Twitter ihany koa ny fahombiazan'ny fandidiana:
Mano Azagaia Está Livre do Tumor. O Rapper de crítica Social Edson Da Luz Ja foi submetido a Craneoctomia… http://t.co/Tr4EQz1Ge4
— MusicaPromo (@Musica_Promo) 13 outubro 2014
Afaka ny fivontosana tamin'ny lohan'i Mano Azagaia. Nodidiana ny karandohan'ilay mpihira rap mpitsikera ara-tsosialy Edson Da Luz Ja …
Betsaka tamin'ireo mpankafy azy no nampiseho fahafaham-po tamin'ny vaovao tao amin'ny tambajotra sosialy.:
O Azagaia já saiu do hospital após a sua operação! http://t.co/Wu6JD5n7UJ
— Hip Hop Tuga (@HipHopTugaa) 17 outubro 2014
Efa nivoaka ny hopitaly taorian'ny fandidiana azy i Azagaia ! http://t.co/Wu6JD5n7UJ
Tao amin'ny Facebook, naneho hevitra tao amin'ny pejin'ilay mpihira i Nito L. Manhice :
Que Deus lhe dê forças para lutar contra o mal que lhe apoquenta e volte a ser o músico e crítico social que sempre foi para bem dos fãs e do povo em geral. Melhoras mano, eu e mais milhões de Moçambicanos precisamos de voce
Enga anie Andriamanitra hanome anao hery hiadiana amin'ny ratsy izay mamely anao ary hamerina anao ho mpiangaly mozika mpitsikera ny fiainana ara-tsosialy izay natao hahasoa ny mpankafy sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny. Mahazoa fahasalamana ry rahalahy, mila anao aho sy ny Mozambikana an-tapitrisany hafa.
Nampahery ilay mpanao rap i Toni Emiliano Ferraz :
O mundo te precisa mano Aza, pessoas como tu não morrem. Esse cancro não pode nada contra si, por isso é que estás são. Força Azagaia!!!
Mila anao izao tontolo izao ry rahalahy Aza, tsy maty ny olona toa anao. Tsy afaka manao na inona na inona aminao io homamiadana io, ka izany no mahasalama anao. Mankahery Azagaia !!!
Tonga tany Maputo i Azagaia ny alin'ny 24 Oktobra. Ny ampitso maraina, nandefa ity hafatra manaraka ity ilay mpihira rap :
Bom dia a todos. Peço perdão mas só ontem às 21h40 é que cheguei a Maputo. Tivemos problemas de tempo em Johannesburg, chuva e trovoadas, mas graças a Deus viajamos.
Agradeço em especial aos jovens que me receberam no aeroporto. Eles foram muito simpáticos, estiveram lá desde às 16h. Que Deus os abençoe!
A LAM tratou-me muito bem permitindo que eu não demorasse para sair com as pastas, a pesar da enchente de pessoas que também viajaram. Fico agradecido!Depois de tudo, ficou tudo bem. É tão bom estar de volta ao convívio da minha família e dos meus amigos. Estarei de repouso, mas em breve verão a minha cara e ouvirão a minha voz. Eu sou filho de Moçambique. Amo este povo!
Salama daholo. Miala tsiny aho fa vao omaly tamin'ny 9:40 alina vao tonga teto Maputo. Nisedra olana ara-toetr'andro tany Johannesburg izahay, orana sy oram-baratra, fa misaotra an'Andriamanitra fa tongasoa izahay.
Mankasitraka manokana ireo tanora izay nitsena ahy teny amin'ny seranam-piaramanidina aho. Tena nahafinaritra ry zareo, efa teo izy ireo nanomboka tamin'ny 4 ora hariva. Hotahian'andriamanitra anie ianareo!
Notsaboin'ny LAM tsara aho, nahafahako nody, na dia teo aza ny ny olona tsy tambo isaina niara-nandeha fiaramanidina taminay ihany koa. Feno fankasitrahana anareo aho ! Rehefa dinihina tokoa, nizotra tsara ny zava-drehetra. Tena faly aho mahita indray ny fianakaviako sy ny namako. Hiala sasatra aho, nefa tsy ho ela dia hahita ny tavako izy ireo ary handre ny feoko indray. Zanak'i Mozambika aho. Tiako ity vahoaka ity!
An'ny vahoaka ny fahefana
Fanehoan-kevitra hafa avy amin'ireo mpankafy toa an'i Rudolfo Cossa izao faly tamin'ny fiverenan'ny mpihira ankafiziny no naneho hevitra toy izao manaraka izao :
Nós amamos ao filho de Moçambique que sabe amar o seu povo. Você e’ um dos queridos filhos Moçambique sempre quis ter para contribuir na defesa dos seus filhos,como um povo. Aguardamos pelos seus préstimos!
Tianay ny zanak'i Mozambika izay mahay mitia ny vahoakany. Ianao dia iray amin'ireo zanaka malala izay tian'i Mozambika hatrizay hatrizay handray anjara amin'ny fiarovana ny zanany, amin'ny maha-vahoaka azy ireo. Faly amin'ny fanompoanao izahay!
Hoy kosa i Anisio Matola :
“A voz do povo é a voz de Deus”! O povo deseja-te saúde, por isso ELE ja concedeu! Tenho a certeza de que em breve vais voltar a “queimar as ruas” junto a nós, os “Vândalos”!
“Ny feon'ny vahoaka dia feon'Andriamanitra”! Mirary soa anao ny vahoaka, ka IZY efa nanome izany! Azoko antoka fa “handrehitra ny arabe” miaraka aminay “Vandales” tsy ho ela ianao !
Ny sasany tamin'ireo horonantsary misy an'i Azagaia alohan'ny nitsaharan'ny asany, mba hiatrehany ny olana ara-pahasalamana: |
https://mg.globalvoices.org/2020/12/15/150696/ | Governemanta afrikana fito no mampiasa rindram-pitsikilovana, hoy ny fanadihadiana vaovao | 2020-12-15T04:32:22 | Unknown | Sarintany avy amin'ny Citizen Lab mampiseho ireo firenena mikirakira ny rindram-pitsikilovan'ny Circle
Mampiasa teknolojiam-pitsikilovana ny governemanta amin'ny firenena miisa fito — Botswana, Ginea Ekoatorialy, Kenya, Maraoka, Nizeria, Zambia, ary Zimbabwe — araka ny nataon'ny Citizen Lab , vondrom-pikarohana marotaranja iray ao amin'ny Oniversiten'i Toronto, Canada.
Tsikaritry ny fanadihadiana fa farafahakeliny firenena miisa 25 manerana ny tany no mampiasa rindrambaiko fitsikilovana vokarin'ny Circles, orinasa iray mikambana amin'ny vondrona NSO avy ao Israely. Nilaza ny fanadihadiana fa ny firenena-fanjakana ihany no ifampiraharahan'ny Circles.
Nahatsikaritra ny tatitra, nosoratan'i Bill Marczak sy efatra hafa, fa “sonia tokana no mifandrohy amin'ny hostnames [anarana-fampiatranoana] ireo rindrinafo Check Point kirakiraina amin'ny fanapariahana ao amin'ny Circles, ka nahafahanay mamantatra ny fivelaran'ny Circles.” Ny Check Point dia orinasam-piarovana an-tsibera Amerikano-Israeliana mpitari-dalana.
Araka ny fanadihadiana, ny lesoka famantarana iraisan'ny firafitra finday amin'ny ankapobeny ahafahana mitsipalotra ireo antso sy soratra ary ny fanjohiana ny telefônina no trandrahan'ny Circles.
Ny teknikam-pitsikilovana ampiasain'ny Circles dia antsoina hoe Signaling System 7 (SS7), “tohizan'arofenitra novolavolaina tamin'ny taona 1975 natao ifanakalozana torohay sy andefasana antso telefônina eo amin'ny orinasam-pifandraisandavitra an-tariby,” hoy ny tatitra. Amin'izao fotoana izao ny SS7 dia ampiasaina amin'ny fanaovana lazambidy tambajotram-pinday 2G sy 3G amin'ny antso miampita sisitany noho ny fifindra-toerana.
Thomas Brewster, mpamakafaka amin'ny fiarovana an-tsibera ao amin'ny Forbes izay nitatitra ny fanadihadian'ny Citizen Lab, no mbola nanampy fanazavana fa raha misy olona mandeha any amin'ny firenena iray hafa, “dia ampiasaina ny tambajotra SS7 hamindrana ny findainao hankany amin'ny orinasa iray mpanome tolotra fifandraisandavitra mpiara-miasa ary hanitsy ny lazambidy (faktiora) mifanaraka amin'izany.” Na izany aza, misy ny fivadihan-dalana ao anaty fizotra mahazatra raha afa-miditra amin'ny tambajotra SS7 ny “mpivarotra fitsikilovana iray”, “na amin'ny alalan'ny fisovohana na amin'ny alalan'ny fahazoana (fividianana) azy.” Avy eo ny SS7 mandefa “kaomandy ankosoka amin'ny tambajotra ao an-toerana ilay mpamandrika lazaina fa manao antso ivelan'ny fireneny (roaming). Izany avy eo no hamoaka ny toerana misy azy ireo, na dia ny fangitra misy ilay tilikambon-telefônina finday akaiky ilay telefônina indrindra aza no tondroiny,” hoy i Brewster.
Ireo mpanjifa ny Circle eto Afrika voamariky ny Citizen Lab dia ireto manaraka ireto: Fitaleavan-draharahan'ny servisim-piarovana sy fitsikilovana ao Botswana (DISS), ny minisiteran'ny atitany ao Maraoka, Masoivohon'ny Fitsikilovana ao amin'ny Fiarovan'i Nizeria (DIA), ary sampan-draharaha iray tsy fantatra ao Zambia. |
https://mg.globalvoices.org/2020/12/05/150384/ | Nampiantrano ny sehatra fifanakalozan-dresaka voalohany tao amin'ny tambajotra sosialy i Mozambika | 2020-12-05T03:36:22 | Unknown | (Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Febroary 2015)
Mpandray anjara fitenenana nandritra ny sehatra- Sary: Dércio TSANDZANA.
Ny sehatra fifanakalozan-dresaka voalohany tao amin'ny tambajotra sosialy nokarakarain'ny Masoivohon'i Etazonia any Mozambika dia nahafahana niady hevitra momba ny fomba fijery samihafa atrehin'ity firenena ity manoloana ny fivoaran'ny teknolojia eo amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanan'ny tanora. Nanasongadina lohahevitra miisa telo lehibe ny hetsika, izay natao ny 11 Febroary 2015 tany Maputo. Niresaka momba ireo fitaovana azon'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ampiasaina amin'ny andraikitra fisoloany vava ny voalohany. Niresaka momba ny Fandraharahana nomerika (e-Entrepreneurship) ny faharoa ary momba ny tambajotra sosialy sy ny fanatsarana ara-tsosialy ny fahatelo.
Tamin'ny fisokafan'ny fifanakalozan-kevitra, nilaza ny masoivohon'i Etazonia fa “ao anatin'ny fivoarana lehibe amin'ny fidirana sy fanitarana ny fampitam-baovao i Mozambika ka tsy tokony ho tsinontsinoavina, misy herijika lehibe ho an'ny fisoloana vava ao amin'ny fampiasana ny tambajotra sosialy” hoy izy, raha niresaka momba ny @Olhodocidadao , @TxekaMoz ary ny Emprego Moz .
Hoy i Egídio Vaz , mpahay tantara sady iray amin'ireo misarika ny hevitry ny besinimaro momba ny tambajotra sosialy nandritra ny lahateny nataony hoe:
Os media sociais criam uma sensação de poder, mas em si não são capazes de trazer esse poder – os media sociais hoje em dia, são uma escapatória para os espaços que se julgam ser controlados.
Mamorona fahatsapana tanjaka ny tambajotra sosialy, saingy tsy afaka mitondra izany tanjaka izany irery izy ireo- fandosirana ireo sehatra izay heverina fa voafehy ny tambajotra sosialy ankehitriny.
Tetsy andanin'izany, nilaza ilay mpikatroka lehibe iray hafa ao amin'ny tambajotra sosialy any Mozambika, Edgar Barroso hoe:
O facebook é um espaço que criamos para trazer assuntos que não eram normal de ser debatidos em fóruns formais da sociedade. Activismo é partir de simples ideias, para questões directas no meio social (…) e nós (Edgar e amigos) já lideramos vários movimentos.
Sehatra noforoninay hiresahana lohahevitra tsy mahazatra ary hiadian-kevitra amin'ny sehatra ara-dalàna eo amin'ny fiarahamonina ny Facebook. Mifototra amin'ny hevitra tsotra ny fikatrohana, ho an'ny fanontaniana mivantana eo amin'ny tontolo ara-tsosialy (…) ary efa nitarika hetsika maro izahay (Edgar sy ny namana).
Nilaza izao manaraka izao i Laque Francisco , mpanao gazety sady mpandray anjara amin'ny fikambanan'ny fampitam-baovao antsoina hoe IREX:
Os desafios das páginas das ONGs em Moçambique têm a ver com a sua sustentabilidade. As redes sociais nos ajudam não só a comunicar com o nosso público, mas também com os nossos doadores, temos também que saber entender as estatísticas sobre a evolução das nossas páginas para saber se posicionar.
Misy ifandraisany amin'ny faharetany ireo fanamby ao amin'ny pejin'ny ONG ao Mozambika. Tsy manampy antsika fotsiny hifanerasera amin'ny mpihaino ny tambajotra sosialy, fa amin'ireo mpanohana antsika ara-bola ihany koa, tsy maintsy mila takarina ihany koa ny antontanisa momba ny fivoaran'ny pejintsika mba hamantarana ny toerana misy antsika.
Tao amin'ny twitter, maro no nandray anjara tamin'ity hetsika ity tamin'ny alàlan'ny tenirohy #MoSocial2015. Hoy i Evany Debone hoe:
Estamos a falar da aproximação de pessoas(Escolas,etc) as midia social..Sera que ensinamos essas pessoas a o que é a internet #MoSocial2015
— Dario Mungoi (@DarioMungoi) February 12, 2015
Miresaka ny fampivondronana ny olona (sekoly sns) isika ao amin'ny tambajotra sosialy. Mampianatra an'ireo olona ireo ny atao hoe aterineto isika.
Niresaka momba ny fiantraikan'ny hetsika i Nethan Reagan:
Wow. Fantastic turnout to #mosocial2015 ! What a great way to kick off a year of comms work in #mozambique
— Nathaniel Reagan (@NathReagan) February 12, 2015
Ouah. Mpandray anjara maro tamin'ny hetsika #mosocial2015 ! Fomba tsara indrindra hanombohana ny taona amin'ny asa fifaneraserana
Naneho hevitra momba ilay fifanakalozan-kevitra ihany koa i Erika Rodrigues:
Social media forum in Mozambique #MoSocial2015 use tech to enhance your NGO, your business, your civic engagement @Ulula4good
— Erika Rodrigues (@KeekahDriguez) February 12, 2015
Mampiasa ny teknolojia ny sehatra tambajotra sosialy any Mozambika hanatsarana ny ONG, ny orinasanao, ny fandraisanao anjara sivily #MoSocial2015.
Nilaza i Mehera fa hetsika lehibe izany:
Hanging with Mozambique's digirati at #mosocial2015 . Huge turn out for a fantastic event! #Africa #Tech #AmericanCulturalCenter
— mehera o'brien (@mehera) February 12, 2015
Midinidinika miaraka amin'i Mozambika “digirati” ao amin'ny #mosocial2015. Maro ny mpandray anjara tamin'ity hetsika mahafinaritra ity! |
https://mg.globalvoices.org/2020/12/13/150379/ | Naverin'ny filohan'i Mozambika tany amin'ny parlemantera ny lalànan'ny fizarana tombontsoa ho an'ny mpitondra teo aloha | 2020-12-13T04:37:21 | Unknown | (Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2014)
Parlemanta Mozambikana. Sarin'ny Solombavambahoaka Mirentirenty tao amin'ny Facebook.
Taorian'ny nahazoana ny fankatoavana avy amin'ny sampana parlemantera miisa telo ny lalàna roa momba ny fanitsiana sy ny fizarana tombontsoa ho an'ireo depiote teo aloha sy ireo filoha teo aloha tao amin'ny Lapan'ny Antenimieran'ny Repoblika dia maro ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena no nanao fanentanana handavana izany fanapahan-kevitra noraisin'ireo olom-boafidim-bahoaka izany.
Manohitra ny tombontsoa ho an'ireo filoha teo aloha.
Tamin'ny 16 Mey 2014 no nivory ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena Mozambikana maro – isan'ireny ny Rafitra manohana ny Fiarahamonim-pirenena (MASC), ny Zaikabe Vondrom-piarahamonina Onjam-peo ao Mozambika (FORCOM), ny Zaikaben'ny Vehivavy, Ivotoerana ho an'ny Fahamendreham-bahoaka (CIP), ankoatra ny hafa – ho “ fanoherana ny fangalarana ara-dalàna “. Niseho tamin'ny fotoana tsy fananan'ny Mozambikana maro fiainana mirindra ara-tsosialy vokatry ny hantsana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tsy fisian'ny fitaterana mendrika ilay hetsi-panoherana, nokarakaraina amin'ny Solombavambahoaka Mirendrarendra .
Ho valin'ity tsindry ity, naverin'ny filohan'ny Repoblika Armando Guebuza tany amin'ny Parlemanta mba hojerena ireo lalàna roa ireo, vaovao izay nohavaozin'ny pejin-gazety Canal de Moçambique tamin'ny lohateny hoe “Fandresena voalohany ho an'ny olom-pirenena”.
Faly tamin'ny fihetsiky ny Lehiben'ny Fanjakana ny vondrona Solombavambahoaka Mirendrarendra , izay nanao ny fanentanana amin'ny fandavana ireo lalàna ireo:
Caros Compatriotas! Uma parte dos nossos objectivos, como moçambicanos, foi alcançada. O PR devolveu a Assembleia da Republica, a lei que faz menção as mordomias dos deputados. Traremos mais informações…Viva o Povo!!!
Ry mpiray tanindrazana amiko! Tratra ny ampahany amin'ny tanjontsika, amin'ny maha Mozambikana antsika. Naverin'ny filohan'ny Repoblika any amin'ny Antenimieran'ny Repoblika, ny lalàna izay ahitana ireo tombontsoa ho an'ny solombavambahoaka. Hitondra fanazavana fanampiny izahay… Ho ela velona ny vahoaka Mozambikana !!!
Ao amin'ity fanambarana ity ihany, nilaza i Narciso Francisco fa tsy ho tombony politika avy amin'ny Filoham-panjakana ity fanapahan-kevitra ity:
Espero que não seja uma questão de tempo para garantir o voto nas eleições que se avizinham e a posterior aprovar…a luta continua e o povo e que esta no poder.
Manantena aho fa tsy ny fotoana no olana hanatanterahana ny fifidianana hoavy sy ny manaraka hankatoavana izany… Mitohy ny tolona ary an'ny vahoaka ny fahefana.
Nahita i Ericino de Salema , mpitsikera sy mpanao gazety Mozambikana fa fihetsika manan-danja tokoa ny famerenana ireo lalàna ireo:
PR Armando Guebuza e a devolução das duas “leis da (des)graça” ao Parlamento: uma decisão sabia, clarividente e visionaria!
Fanapahan-kevitra feno fahendrena, mitsinjo lavitra ary maminavina ny hoavy ny famerenan'ny PR Armando Guebuza ireo “lalànan'ny tombontsoa mivilana” roa ireto tany amin'ny Parlemanta.
Ho an'i Francisco Alberto Tembo , mpianatry ny oniversite, fisaorana lehibe no atolotra ny fiarahamonim-pirenena noho ny tsindry nataon'izy ireo nahazoana izany fandresena izany.
Ponto para sociedade. É muito bom saber que sociedade tem capacidade para influenciar as decisoes politicas, pois, se assim não fosse sabe se lá onde é que estaria o país.
Isa ho an'ny fiarahamonina. Tena tsara ny mahafantatra fa manana fahaizana mamaritra fanapahan-kevitra politika ny fiarahamonina, raha tsy izany tsy misy mahalala hoe aiza no misy ny firenena amin'izao fotoana izao.
Tonga mpandresy lehibe indrindra tao anatin'ny dingana ny olom-pirenena ao Mozambika. Na eo aza izany, antenaina ny fandinihana vaovao momba ireo lalàna naverina tany amin'ny Antenimieran'ny Repoblika ireo, azo lazaina fa ny tolona ihany no nahazoana fandresena teto fa tsy ny ady. |
https://mg.globalvoices.org/2020/11/18/150169/ | 2020 no taona ratsy indrindra ho an'ny mpanoratra an-gazety ao Kenya | 2020-11-18T05:27:01 | Unknown | Arabe foana ao Nairobi, Kenya, nandritra ny valan'aretina coronavirus 2020, 22 Avrily 2020. Saripikan'ny Banky Mondialy/ Sambrian Mbaabu via Flickr CC-BY-NC-ND-2.0 .
Naotin'ny tonian-dahatsoratra: Ny tantara dia avy amin'i Victoria Rubaridi ka ao anatin'ny tetikasa PROTECT tohanan'ny governemanta U K ho an'ny ARTICLE 19 ary navoaka eto indray araka ny fiaraha-miombon'antoka mifampizara nifanaovana.
Hatramin'ny nipongaran'ny coronavirus vaovao tao Kenya tamin'ny volana marsa, mihoatra ny 47 ny trangam-pisamborana tondromolotra, fanafihana sy fanohintohinana nihatra tamin'ny blaogera, mpikatroka anjotra ary mpiaro ny zon'olombelona, araka ny ARTICLE 19, fikambanana iray tsy miankina amin'ny governemanta mifantoka amin'ny fahalalaham-pitenenana. Azo ampitahana izany amin'ny tranga miisa 15 nandritra ny dimy volana alohany (Oktobra 2019-Marsa 2020).
Mino i Wamathai fa fanararaotana avy amin'ny governemanta kenyana ny famoretana. Amin'ny ankamaroan'ny tranga, ampangaina ho manely vaovao tsy marina amin'ny torohay mahasahana ny COVID-19 ny mpikatroka an-jotra na ny blaogera. Voamarika ho samy efa namoaka votoaty mitsikera ny governemanta avokoa ireo blaogera sy mpikatroka rehetra ireo.
Tamin'ny volana jona, noraofin'ny polisy tao an-tranony ny i Mutemi wa Kiama mpikatroka menavazan'ny rariny ara-tsosialy. Na dia navotsotra tsy nisy fiampangana aza izy taty aoriana, dia nisy fitoriana naraham-pianianana napetraky ny mpanao famotorana tao amin'ny lapan'ny fitsarana iray tao an-toerana natao hanenjehana azy ho mamoaka vaovao diso araka ny lalànan'ny heloka bevava an'habaka, izay mety hiafara amin'ny fandoavana onitra na famonjana.
Kiama niteny tamin'ny ARTICLE 19:
I retweeted a thread that gave a history of how power and capital was passed down from colonial chiefs to the current political brokers. It went viral and that didn’t sit well with some individuals.
Ni-retweet (nampita) randran-dresaka iray izay manome ny tantaran'ny fampitam-pahefana avy amin'ny lehibe ara-panjanahantany mankany amin'ireo mpisehatra ara-politika amin'izao fotoana izao aho. Nalaza haingana dia haingana izany ary tsy nankasitrahan'ny olona sasany.
Milaza i ARTICLE 19 fa mampanahy dia mampanahy ireo fihetsika mafaitra amelezana ny fahalalahana miteny anjotra ao Kenya izao ary ao anatin'ny fironam-paritra mamoritra hatrany sy masiaka amin'ireo mitsikera anjotra.
Niteny i Mugambi Kiai, talem-paritra Afrika Atsinanana ARTICLE 19:
ARTICLE 19 Eastern Africa is concerned that the government seems to be using the coronavirus outbreak as an opportunity to further entrench repressive measures. Police must thoroughly investigate and prosecute the perpetrators. Journalists, like other essential service providers, should be allowed to access and report freely and accurately on the government’s actions to counter the effects and the spread of the coronavirus.
Mitovy hevitra amin'izany ny mpisolovavan'ny zon'olombelona Victor Kapiyo:
We are seeing a weaponization of the law with offenses such as publication of false information, which one would imagine is an attempt to deal with fake news, but in reality, they are used to silence people who are critical of government.
Hitantsika ny fampiasana ny lalàna tahaka ny famoahana vaovao diso, izay sainin'ny rehetra fa natao hiatrehana ny vaovao hosoka, saingy rehefa jerena dia nampiasaina hampanginana ireo olona mitsikera ny governemanta.
Nampitandremany fa hanamafy ny kolontsaim-pampitahorana efa miraikitra ao Kenya ampolony taona maro ireo fepetra ireo.
“Heverina ho fitaovam-pahafinaretana ara-nofo aho ka velesina amin'ny bikako. Misy aza moa ny mamely ny fianakaviako anjotra,” hoy ny fanazavan'i Wanjeri Nderu mpiaro ny zon'olombelona. “Mila fiofanana fiarovana an-tsivalo (dizitaly) izahay, na mbola ho hitantsika fa mikombona ny feon'ny vehivavy.”
“Tahaka ny tsy mahafehy ny toe-draharaha ny governemanta ka tiany ho azo ny sehatra anjotra,” hoy i Nderu. “Mahatsikaritra fisamborana izahay, sy blaogera na mpikirakira anjotra karamain'ny governemanta hanaratsy ireo mpikatroka anjotra.”
Ho setrin'ny fanehoan-kevitr'i Nderu, Joe Mucheru, sekreteram-panjakana misahana ny TIC, ny fanaovaozana ary ny fisahanana ny tanora ao Kenya, niteny tamin'ny ARTICLE 19 hoe:
Our only agenda, when we communicate on social media, is to inform the public on development projects as well as security and health matters that will assist them.
Ny tanjonay tokana, rehefa mampita fifandraisana ao amin'ny media sosialy, dia ny mampahafantatra amin'ny vahoaka ny fivoaran'ny tetikasa sy ny filaminana ary ny fahasalamana izay hanolo-tanana azy ireo. |
https://mg.globalvoices.org/2020/11/17/150376/ | Manao antso avo amin'ireo mpankafy azy mba hanome fanampiana hitsaboana ny fivontosana amin'ny atidohany ilay mpanakanto hip-hop Mozambikana Azagaia | 2020-11-17T02:48:57 | Unknown | (Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Aogositra 2014)
Saripikan'i Rita da Silva navoaka tao amin'ny pejy Ajuda O Mano Azagaia (Ampio ny Rahalahy Azagaia) nahazoana alàlana. 10%-n'ny vola hitsaboana no voangona tamin'ny andro voalohany fanentanana.
Nanambara tao amin'ny kaontiny tambajotra sosialy ilay mpiangaly rap Mozambikana Edson da Luz, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Azagaia, fa voan'ny fivontosan'ny atidoha izy. Herinandro vitsivitsy lasa izay, nihetsika mafy ny androbeny ary nanomboka nahitana fihetsika hafahafa izy, toy ny fikorontanan-tsaina sy ny fahaverezan'ny fitadidiana. Ny fitiliana natao tany Mozambika sy Afrika atsimo no nanamafy fa misy fivontosana teo amin'ny ilany ankavanan'ny atidohany.
Mety ho faty ao anatin'ny roa taona ity mpihira 30 taona ity raha tsy misy ny fandidiana ao anatin'ny fotoana fohy. Koa satria lafo ny fandidiana any Mozambika sy ny fotoana mety hiandrasana ny fandidiana noho ny rafi-pitsaboana ao amin'ny firenena dia nasaina i Azagaia hanohy ny fitsaboana any India. Mandritra izany fotoana izany, mangataka fandraisana anjara avy amin'ireo mpankafy azy ilay mpanakanto satria tsy manana ny loharanom-bola handoavana izany fandidiana izany izy izay mitentina 25.000 dolara $:
Tudo o que quero é conseguir o dinheiro para essa operação na India, mas sempre rezando por um milagre. Do fundo do meu coração, o milagre que desejo ver acontecer, é que esse tumor desapareça assim como apareceu, ou seja, sem que tenham que meter uma faca na minha cabeça.
Ny hahazoako vola amin'ity fandidiana ity any India no hany tadiaviko, fa mivavaka foana mba hisy ny fahagagana. Amin'ny foko manontolo, ny fanjavonan'ity fivontosana ity toy ny nipoirany ny fahagagana tiako ho hita, izany hoe, tsy mila azy ireo mandidy ny lohako aho.
https://www.youtube.com/watch?v=oTW4jiNJQFs&feature=youtube_gdata_player&hd=1
Nahazo mpankafy noho ny fanoherany ireo mpitondra sy ny firesahany ny olana ara-tsosialy tamin'ny mozikany i Azagaia, izay midika hoe lefona. Nahasarika ny sain'ny mpitondra fanjakana ihany koa ny tononkirany. Tamin'ny taona 2008, nampanatsoina izy hanaovana famotorana tao amin'ny biraon'ny lehiben'ny fampanoavana noho ny mozikany izay voalaza fa mandrisika herisetra.
Naneho hevitra ireo mpankafy tamin'ny fizarana ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook navoakan'ny mpitantana azy in-700 ny Alatsinainy 25 Aogositra 2014. Namela hafatra marobe ho an'ilay mpihira tao anaty andiam-panehoan-kevitra izy ireo. Betsaka, toa an'i Moises Jesus Alberto , no naneho ny fanohanany tsy misy fepetra an'ilay mpanao rap:
Mano Azagaia tenha fe que o povo sta contigo, voce e a fonte d inspiração de muitos jovens, incluindo eu
Manàna finoana ry rahalahy Azagaia fa miaraka aminao ny vahoaka, loharanon'aingam-panahy ho an'ny tanora maro ianao, anisan'izany aho
Nanoratra i Marcelo Massaite Jossias :
O Mocambique e consigo, tenho a certeza que muitos nao precisaram de ir a igreja orar por ti, mas logo que tomaram conhecimento do seu estado pedem a Deus a cada minuto para ele te ajudar.Estamos consigo mano.
Miaraka aminao i Mozambika, mino aho fa maro no tsy mila mankany am-piangonana hivavaka ho anao, fa hangataka amin'Andriamanitra isa-minitra izy ireo hanampy anao raha vao henony ny toe-pahasalamanao. Miaraka aminao izahay rahalahy.
Nizara horonantsary fanohanana an'i Azagaia teo amin'ny rindriny i Edgar Kamikaze Barroso :
Espalhem a mensagem, ajudem no que puderem. Há no final do vídeo o número das contas bancárias e o contacto dos titulares, para eventual informação adicional.
Aparitaho ny hafatra raha azonao atao. Misy ny antsipirian'ny kaontin'ny banky sy ny antsipirian'ny fifandraisana raha mila fanazavana fanampiny ianao any amin'ny faran'ny horonantsary.
Hafatra fanohanana maro an'isa mitovy amin'izany no hita tao amin'ny Twitter:
fiquei estupefacto e triste ao mesmo tempo com o vídeo do Azagaia
— Bruno Amaro (@brunoamaro17) agosto 26, 2014
Tsy nahateny aho ary nalahelo tamin'izay niaraka tamin'ilay horonantsarin'i Azagaia
Vamos ajudar o Azagaia 🙂 Pouco ou muito vamos ajudar.
— Marita Matilde シ ♥ (@MaryMaTiilDee) agosto 26, 2014
Andao hanampy an'i Azagaia. Kely na betsaka andao hanampy.
Solidariedade com o mano Azagaia, a voz dos sem vozes. http://t.co/go7Lq1LQxE
— Araújo Manjor (@Ishokamot) agosto 26, 2014
Firaisankina miaraka amin'i Azagaia, feon'ny tsy afa-miteny.
Efa nahazo mpankasitraka miisa 3.300 ny pejy Facebook iray antsoina hoe Ajuda O Mano Azagaia (Ampio Azagaia). Naangona 5.724 $ Amerikana ny fanentanana ara-bola hanaovana fandidiana an'i Azagaia ( Azagaia Brain Tumor Operation Fund) satria tamin'ny andro voalohany fotsiny no efa nahazo ny 10 isanjaton'ny vola notadiavina izy ireo. |
https://mg.globalvoices.org/2020/11/21/150381/ | Anisan'ny firenena milefitra indrindra amin'ny fahapelahana aty Afrika i Cap Vert sy i Mozambika | 2020-11-21T04:13:37 | Unknown | (Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Martsa 2016)
Tondro mampiseho ny Fandeferana aty Afrika. Sary nahazoana alàlana.
Natao tao an-tanàndehiben'i Maputo, nandritra ny Andro Lavitra Fanavakavahana (01.03), nanomboka tamin'ny fakan-kevitra nataon'ny Afrobarometatra mampiseho ny “Fahaleferana aty Afrika” ny famoahana ireo firaketana mampiseho ny tondrom-pandeferana aty Afrika. Toy izany koa no natao tany amin'ny firenena Afrikana miisa 33, ho an'ny olona miisa 2.400 ananana taham-pitokisana 95%.
Mifototra amin'ny tondro izay mametraka ny fanabeazana, ny fahakaikezana ary ny fiharihariana ao amin'ny media sosialy ho mpamelona ny fampiroboroboana ny fandeferana bebe kokoa aty amin'ny kaontinanta Afrikana ity firaketana ity.
Amin'ireo firenena miisa 33, asehon'ny Afrikana mpiserasera ny fahaleferana be amin'ireo olona avy avy amin'ny foko samihafa (91%), olona samihafa finoana (87%), mpifindra monina (81%) ary olona mitondra ny tsimokaretina VIH / SIDA. (68%). Tsy hita ao anaty lisitra ireo Firenena miteny Paortiogey, Angola, Guinea-Bissau ary Guinea Ekoatorialy:
Cape Verde, S. Africa & Mozambique express the high tolerance to homosexuals https://t.co/ELrXh8j5xE #VoicesAfrica pic.twitter.com/i0ZEeHNMIx
— Afrobarometer (@afrobarometer) 1 de março de 2016
Mampiseho ny fandeferany lehibe amin'ny fahapelahana i Cap Vert, Afrika Atsimo ary Mozambika.
Inona ny Afrobarometatra ?
Tambajotra-pikarohana Pan-Afrikana tsy mitanila izay manao fikarohana momba ny fomba fijerin'ny vahoaka mikasika ny demokrasia, ny fitantanam-panjakana, ny raharaha ara-toekarena sy ny olana mifandraika amin'izany ao amin'ny firenena miisa 30 mahery aty Afrika ny Afrobarometatra. Misy amin'ny teny Anglisy , Frantsay ary Portiogey ny tatitra mitondra ny lohateny hoe “Mpifanila vodirindrina mahafinaritra? Maneho fandeferana ambony ho an'ny maro, fa tsy ho an'ny rehetra ny Afrikana”.
Moçambique é parte de 4 países onde a maioria diz que gostaria ou não se importaria de ter vizinhos homossexuais. #VoicesAfrica
— Lambda Moçambique (@lambdaMoz) 1 de março de 2016
I Mozambika dia ao anatin'ny firenena 4 izay ahitana olona maro milaza fa tian'izy ireo na tsy mampaninona azy ireo raha manana pelaka mpiray vodirindrina aminy izy ireo. |
https://mg.globalvoices.org/2020/11/14/150364/ | Manameloka ny fanafihan'ny Boko Haram nandritra ny torimason'ny miaramila ny filohan'i Kamerona | 2020-11-14T05:18:43 | Unknown | (Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Mey 2014)
Ny alin'ny 16 Mey 2014, niampita nankany Kamerona mpifanila vodirindrina taminy ary nanafika tobin'ny shinoa mpiasa tao Waza ny mpikambana ao amin'ny vondrona mitam-piadiana Islamista Nizeriana Boko Haram ka nahafaty olona iray ary naka an-keriny olona miisa 10 hafa. Nanaitra ny maro ny fahasahian'ny Boko Haram nanao fanafihana tsy nisy toa izany tao amin'ny faritra izay ao anatin'ny fahamehana ary hivezivezen'ny Brigade d'Intervention Rapide Kameroney (fantatry ny besinimaro amin'ny fanafohezana azy amin'ny teny frantsay hoe BIR).
Nitranga talohan'ny vovonana tany Paris momba ny filaminana tany Nizeria , izay nampanatsoin'ny filoha frantsay, François Hollande ary natrehin'ny filoham-panjakana avy any Nizeria sy ireo firenena manodidina azy toa an'i Kamerona ny fanafihana tao Waza. Nahataitra ny maro tao amin'ny tambajotra sosialy ny fahitana fa tany Paris no natao ity fihaonana ity fa tsy tany amin'ireo renivohitra Afrikana tany Abuja, Yaounde, Niamey na tany Ndjamena.
Nandritra ny vovonana tany Paris, nanambara ny ady feno tamin'ny Boko Haram ireo filoham-panjakana. Tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety [fr] taorian'izay, nanambara ny fanazavany tamin'ny nanafihan'i Boko Haram mora foana an'i Waza ny filohan'i Kamerona Paul Biya:
Mais je dois dire tout simplement que Boko Haram utilise des tactiques assez différentes et assez pernicieuses. Généralement ils attaquent la nuit à partir de minuit et une heure du matin. Combien d’unités sont en éveil à ce moment-là? Et puis Ils profitent de la fluidité de la liberté dans le pays pour envoyer des observateurs le jour. Ils utilisent donc l'effet de surprise et la supériorité numérique. Là où vous avez 15 soldats, ils envoient 100 personnes avec un armement lourd.
But I must state simply that Boko Haram uses quite different and quite pernicious tactics. They generally attack at night from midnight or 1:00 a.m. How many units are awake at that hour? They also observe and take advantage of the free movement of persons in the country and send out scouts during the day. They then mount surprise attacks and use their numerical superiority, for instance where you have 15 soldiers they will send 100 persons with heavy weapons.
Hoy fotsiny aho hoe mampiasa paikady tena hafa sy feno hasomparana ny Boko Haram. Manafika amin'ny alina izy ireo amin'ny ankapobeny manomboka amin'ny misasakalina na amin'ny 1:00 maraina. Firy ny isan'ny tafika tsy matory amin'izany ora izany? Manararaotra ny fivezivezena malalaka ao amin'ny firenena ihany koa izy ireo mba handefasana mpanara-maso mandritra ny andro. Avy eo dia manao fanafihana tampoka izy ireo ary mampiasa ny habetsahany. Handefasany olona miisa 100 mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ianao raha 15 ny miaramilanao.
Araka ny efa nampoizina dia haingana dia haingana ny fanehoan-kevitra tamin'ny aterineto tamin'ny fanehoan-kevitry ny filoha. Nanontany i Ngum Ngafor:
You do realise, M Le Presi @PR_Paul_Biya that u just gave us the political equivalent of “the dog ate my homework” right? #security (2)
— Ngum Ngafor (@NgumNgafor) May 17, 2014
Mba fantatrao ve, Atoa filoha @PR_Paul_Biya fa milaza aminay ny politika mitovy amin'ny hoe “lanin'ny alika ny entimodiko” ianao, sa tsy izany?
Nanontany tena ny Dernier Faraon Noir hoe:
Paul Biya est-il lucide quand il se plains de ce que Boko Haram n'attaque que lorsque ses soldats (BIR) sont endormis et en grand nombre?
— Dernier Pharaon Noir (@CutiiYas) May 18, 2014
Mieritreritra tsara ve i Biya rehefa mitaraina izy fa tsy manafika i Boko Haram raha tsy matory ny miaramila ary rehefa maro an'isa izy ireo?
Ary ilay bilaogera Florian Ngimbis nandambolambo hoe:
Pa'a Paul Biya dit que Boko Haram attaque la nuit, quand les forces spéciales du BIR dorment. tu as raison ça c'est la lâcheté! krkrkrkrk
— Florian Ngimbis (@ngimbis) May 17, 2014
Nilaza i Paul Biya fa manafika i Boko Haram amin'ny alina rehefa matory ny hery manokana avy amin'ny BIR. Marina ny anao, izany no atao hoe kanosa tsotra izao!
Fanafihana tao Waza
Ankoatra ny fanazavan'ny filoha, nahasarika ny sain'ny maro tao amin'ny tambajotra sosialy ny fomba nahavitan'ny Boko Haram ny fanafihana tao Waza :
Il y a une base aérienne dans le Nord à Garoua…Quand les fous barbus attaquaient Waza, avions et pilotes étaient où? Je #wanda grave…
— Serge Mbarga Owona (@Manekang) May 17, 2014
Misy tobin'ny tafika an'habakabaka any avaratr'i Garoua. Taiza ny fiaramanidina sy ny mpanamory rehefa nanafika an'i Waza ireo be volombava adala ireo?
How did #BokoHaram fight with soldiers for over 3 hours and police and army was not able to send additional forces and support? #Cameroon
— Citizens Initiatives (@IGC_Cameroon) May 18, 2014
Ahoana no fomba niadian'ny BokoHaram tamin'ny miaramila nandritra ny adiny 3 mahery ary tsy afaka nandefa hery sy tohana fanampiny ny polisy sy ny tafika?
Nanambara ny iray amin'ireo antony nahatonga ny Boko Haram hanana fahefana malalaka tany Waza i Edouard Tamba:
Le camp attaqué par #BokoHaram est gardé par le BIR. Mais nos militaires étaient en sous-effectif, descendus à Yaoundé pour le 20mai.
— Edouard TAMBA (@ETAMBA) May 17, 2014
Ambenan'ny BIR ny toby notafihan'i Boko Haram. Saingy nahena ny miaramilanay satria lasa nankany Yaounde handray anjara tamin'ny matson'ny fetim-pirenena ny 20 Mey ny sasany tamin'izy ireo.
Nohamafisin'ny tompon'andraikitra ambony Kameroney ity fanambarana ity, izay nanambara tamin'ny masoivohom-baovao Frantsay fa:
All the helicopters that might have been used to survey the border area and help with the search were in the capital Yaounde ahead of the 20 May National Day military parade.
Tao an-drenivohitr'i Yaounde nialoha ny matso nataon'ny miaramila ny 20 Mey ny angidimby rehetra izay mety nampiasaina hanaraha-maso ny faritra sisintany sy hanampiana amin'ny fikarohana.
Nahatonga an'i Jean Francis Ahanda hanao ity teny ity ny fanaovana tsirambina ny laharam-pahamehana toy izany:
On declare la guerre mais on va dabord défiler puis boire pour la fête nationale, dites à vos gens de Boko haram de respecter nos fériés !
— Jean-Francis AHANDA (@jeanfrancis) May 18, 2014
Nanambara ady isika fa mila mandray anjara amin'ilay matso aloha ary avy eo misotro ho fankalazana ny fetim-pirenentsika. Lazao ny Boko Haram hanaja ny fetim-pirenentsika!
Niteny tamin'ny mpitondra azy ireo ihany koa ireo mpiseran'ny tambajotra sosialy mba hilaza fa ny filohan'i Frantsa fa tsy ny filoham-pirenena Afrikana no nampiantso ny vovonana. Nanao fanamby tamin'ny mpanjohy azy tamin'ity fampiasana saina tsotra ity i Samuel Victor Iyabi:
Correction orthographique: Trouvez l'erreur Sommet à Paris sur la sécurité au Nigéria
— Samuel Victor IYABI (@samvicked) May 17, 2014
Fanitsiana tsipelina: Tadiavo ny diso: Vovonana tany Paris momba ny filaminana any Nizeria.
Mivantana kokoa ilay mpisera @africaninmotion:
Goodluck couldn't invite Paul Biya to Aso Villa [the office and residence of Nigeria's president] to discuss Boko Haram over a bowl of Egusi [a popular Nigerian soup]? Hollande had to do it? @Chxta @kijanafulani
— africanomist (@africainmotion) May 17, 2014
Tsy afaka nanasa an'i Paul Biya tao amin'ny Villa Aso i Goodluck [ilay birao sy fonenan'ny filohan'i Nizeria] mba hiresaka momba ny Boko Haram sady mihinana Egusi [lasopy Nizeriana malaza]? Tsy maintsy nanao izany ve i Hollande?
Tonga dia nivantambatana ny Vondrom-piarahamonina Kameroney raha nahita ny filoham-pirenena Frantsay voahodidin'ny filoham-pirenena Afrikana nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety taorian'ny vovonana:
Here is a picture that tells you how STUPID #PaulBiya and the rest of Central #African leaders are. Blood really boils pic.twitter.com/EW0uT31n41
— Cameroon Community (@Cameroon_Com) May 19, 2014
Ity misy sary iray milaza aminao fa VENDRANA i Paul Biya sy ny sisa amin'ireo mpitondra any Afrika Afovoany. Tena mangotrangotraka ny rà |
https://mg.globalvoices.org/2020/11/05/150172/ | Famaranana ny herisetra ataon'ny polisy any Nizeria: Fetiben'ny jiro hanomezam-boninahitra ireo maty | 2020-11-05T04:41:14 | Unknown | Fetiben'ny jiro hanomezam-boninahitra ireo olona novonoin'ny borigadin'ny polisy SARS, Lagos, Nizeria, 17 Oktobra 2020. Sary nozaraina betsaka tao amin'ny Twitter niaraka tamin'ny hetsika #EndSARS (Ravao ny SARS).
Raha mbola nitohy nanerana an'i Nizeria ny fihetsiketsehana #EndSARS (Ravao ny SARS) dia nitohy toy izany koa ny herisetra ataon'ny polisy.
Nanomboka tao amin'ny Twitter ny hetsika #EndSARS ho fitarainana manohitra ny Borigady Manokana Miady amin'ny Fandrobana an'ny Polisy Nizeriana (SARS), izay nivadika ho fidinana an-dalambe taty aoriana rehefa nitarika hetsi-panoherana ny tanora Nizeriana efa ho 10 andro izao.
Nanapa-kevitra hikarakara ny fetiben'ny jiro ireo mpanao fihetsiketsehana ho fanomezam-boninahitra ireo maherifo namoy ny ainy noho ny herisetra ataon'ny polisy. Olona maherin'ny 100 no voalaza fa novonoin'ny SARS tao anatin'ny efatra ka hatramin'ny dimy taona, hoy ny Amnesty International.
Candle light vigil by #EndSARS protesters for those killed. pic.twitter.com/SDYes2Kdnt
— Ōkwóchè (@okwoche) October 16, 2020
Fiaretan-tory mandrehitra labozia nataon'ny mpanao fihetsiketsehana #EndSARS ho an'ireo novonoina.
Niaina fotoana nampihetsi-po tokoa ny firenena tamin'ny 7 ora hariva tany Nizeria ny zoma 17 Oktobra lasa teo, satria maro ny mpanao fihetsiketsehana nivory tamin'ny fetiben'ny jiro tao an-drenivohitra federalin'ny firenena, Abuja, sy tany Port-Harcourt, renivohitry ny fanjakan'ny River ihany koa ary tany amin'ireo tanàn-dehibe hafa manerana ny firenena.
Tao amin'ny vavahadin'ny Lekki any Lagos, ohatra dia tsy tambo isaina ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana.
Lekki Toll Gate last night. This is REALLY HAPPENING. We must join the #EndSARS movement and support however we can!!!! pic.twitter.com/MZscqzT4Zv
— No Signal (@theresnosignall) October 17, 2020
Ny vavahadin'ny Lekki omaly alina. TENA NITRANGA izany. Tokony hamonjy ny hetsika #EndSARS isika ary hanohana araka izay azo atao.
#EndSARS #EndPoliceBrutalityinNigeria #FestivalOfLights #Abuja pic.twitter.com/kpfE0528LC
— Don Blazito Fischeti (@blazeotokpa) October 17, 2020
Ravao ny SARS-Farano ny Herisetran'ny Polisy ao Nizeria-Fetiben'ny Jiro-Abuja
Notantaraina tao amin'ny fetiben'ny jiro tao Abuja ny tantaran'ny iray tamin'ireo namoy ny ainy noho ny herisetra nataon'ny polisy – tanora iray antsoina hoe Chijoke Iloanya, 20 taona. Nahavaky fo ny fijoroana vavolombelona tamin'ny fijaliana nahazo azy ary nahatonga fahanginana naharitra. Nanohina ny fon'ny mpanao fihetsiketsehana izany amin'ny maha-olombelona.
Listen to Chijioke’s story. Feom Festival of Lights, Abuja: held in honour of the ones we’ve lost.? #EndSARS PART 1 pic.twitter.com/ROqGeOIvDb
— Salem ♕♕ (@salemkinging) October 16, 2020
Henoy ny tantaran'i Chijioke. Mivantana avy any amin'ny Fetiben'ny Jiro, Abuja: natao ho fanomezam-boninahitra ireo izay nandao antsika.
Voalaza fa novonoin'ny Lehiben'ny Borigadin'ny Polisy James Nwofor tamin'ny 2012 i Iloanya. Voalaza fa nilaza tamin'ny renin'ity niharan-doza ity i Nwofor fa hamono ny zanany lahy izy ary tsy hisy na inona na inona hitranga amin'izany.
Mitaky ny rariny ho an'i Iloanya ireo mpanao fihetsiketsehana izay mbola tsy nanaovana famotopotorana na notsaraina ny famonoana azy.
Nanokatra kaonty Twitter ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanarahana ny fetin'ny jiro manerana ny firenena:
We were Happy That Our Dream is coming to reality, we worked hard for this, we Will not Stop the fight. We Lost Innocent Lives to The Hands of Brutal Men. Justice Will Be served. We Keep The Change Alive ✊??… #SARSMUSTEND #EndSARS #EndSWAT https://t.co/y2vgPO9AlI
— Festival Of Lights (#EndSARS) (@FOL_EndSars) October 17, 2020
Faly izahay fa tanteraka ny nofinay, niasa mafy izahay tamin'izany, tsy hatsahatray ny tolona. Namoy aina tsy manan-tsiny izahay teo ampelan-tànan'ny lehilahy mahery setra. Ho hampiharina ny fitsarana. Ataonay izay hampaharitra ny fanovana.
Alimbe taorian'ny lahateny nataon'ny Talen'ny Kabinetra tao amin'ny Fanjakan'ny Lagos, nandohalika ny mpanao fihetsiketsehana rehefa nandeha ny hiram-pirenena tao Lagos, Nizeria, 8 Oktobra 2020. Saripikan'i TobiJamesCandids tao amin'ny Wikimedia CC.BY.4.0 .
Fanavaozana haingana ny rafitry ny polisy
Mitaky fandraisana andraikitra avy amin'ny governemanta ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny ankapobeny fa tsy teny sy fampanantenana fotsiny. Nivoady izy ireo fa tsy hiala eny an'arabe raha tsy mivaly ny hetahetany dimy lehibe, antsoina hoe #5for5 [5hoan'ny5]:
The demands #EndSARS #EndSarsNow pic.twitter.com/SHEYENsTZR
— Asa (@Asa_official) October 11, 2020
Ireo fitakiana Ravao ny SARS-Ravao haingana ny SARS
Vokatr'izany, nanangana vaomieran'ny filoham-pirenena ny governemanta federaly hanavao ny rafitry ny polisy, ary namoaka fanapahan-kevitra maro hamaliana ny fitakian'ny mpanao fihetsiketsehana tao anatin'ny andro vitsivitsy.
Nanamafy tao amin'ny Twitter ny fankatoavan'ny filoha sy ny fanekeny ny vaomiera ary ny fahavononany hamaly ny fitakian'ireo mpanao fihetsiketsehana i Bashir Ahmad, ilay mpanampy manokana ao amin'ny media vaovaon'ny filoha Buhari:
JUST IN: The Presidential Panel on Police reforms swings into action, okays #5for5 demand of #EndSARS protesters.
Read details blow and kindly share. pic.twitter.com/QTxnxX5WVt
— Bashir Ahmad (@BashirAhmaad) October 13, 2020
VAOVAO FARANY: Nihetsika ny vaomieran'ny filoham-pirenena misahana ny fanavaozana ny rafitry ny polisy, nekena ny fangatahan'ny mpanao fihetsiketsehana 5 ho an'ny 5.
Vakio ny antsipiriany etsy ambany ary miangavy mba zarao
Nilaza ihany koa ny vaomieran'ny filoham-pirenena fa horoahina ny mpikambana miisa 37 ao amin'ny Borigady Manokana Miady amin'ny Fandrobana noho ny fitondran-tena tsy mendrika sy ny olona miisa 24 hafa izay henjehina noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona isankarazany.
Nandritra ny fivorian'ny filankevi-pirenena mpanatanteraka ny Alakamisy izay notarihin'ny filoha lefitra Yemi Osinbajo dia nanolo-kevitra fa tokony hametraka ny Vaomiera misahana ny Fanadihadiana Ara-pitsarana ny governoran'ny fanjakana tsirairay avy mba hanao fanadihadiana momba ny herisetran'ny polisy ao amin'ny fanjakàn'izy ireo.
Na izany aza, tsy nanaiky izany sosokevitra izany ny governoran'ny Fanjakana River, Nyesom Wike, tamin'ny filazana fa nanjavona fotsiny tsotra izao ireo ezaka teo aloha izay tsy nampiharina mihitsy kanefa nampiasana ny volan'ny mpandoa hetra tamin'ny fanaovana fanadihadiana. |
https://mg.globalvoices.org/2020/11/02/150279/ | Fanakendana ny aterineto, fanakatonana ny SMS andro vitsivitsy mialoha ny fifidianana ao Tanzania | 2020-11-02T16:01:37 | Unknown | Sehatra an-tserasera manasongadina ny fameperana ataon'ireo mpanome tolotra aterineto any Tanzania, 27 Oktobra 2020. Sary tao amin'ny NetBlocks.org .
Tamin'ny volana Aogositra lasa teo, nahita ireo mpikatroka ny zo nomerika fa mety hametra ny tolotra aterineto i Tanzania – indrindra ireo sehatra media sosialy malaza – mialoha ny fifidianana ankapobeny fantatra fa atao amin'ny 28 Oktobra.
Azo antoka, fa tao anatin'ny 24 ora monja mialoha ny androm-pifidianana, nitatitra ireo mpiserasera ao Tanzania sy ireo nosy mizaka tena ampahany ao Zanzibar fa voafetra ny fidirana amin'ny tolotra aterineto, anisan'izany ireo sehatra media sosialy toa ny WhatsApp, Facebook ary Twitter.
Tamin'ny alin'ny fifidianana, nanamafy ny fihenana niniana natao tamin'ny aterineto fantatra amin'ny anarana hoe “throttling” ny Netblocks:
Confirmed: Widespread disruption to social media registered across #Tanzania on eve of elections; high impact to Twitter, WhatsApp, Instagram and Google services on Vodacom, Airtel, Tigo, Halotel and Zantel; incident ongoing ? #TanzaniaElections2020
? https://t.co/LEIpXAlEhf pic.twitter.com/2WRsPSZ2VU
— NetBlocks.org (@netblocks) October 27, 2020
Voamarina:Hita manerana an'i #Tanzania tamin'ny alin'ny fifidianana ny fanakorontanana mielipatrana tao amin'ny media sosialy; misy akony lehibe tamin'ny tolotra Twitter, WhatsApp, Instagram ary Google sy tao ao amin'ny Vodacom, Airtel, Tigo, Halotel ary Zantel; mitohy ny tranga
Nahatonga ny olona an-tapitrisany tsy nanana aterineto azo antoka hifandraisana amin'ireo namana sy fianakaviana ny tolotra voafetra, ary miezaka mafy hahazoana tambajotra tsy miankina virtoaly (VPN) hidirana amin'ny aterineto:
Internet restrictions in #ZanzibarLivesMatter #ZanzibarLivesMatters #ZanzibarLivesMatter #ZanzibarLivesMatters are real. Numerous friends, colleagues, contacts currently unable to reply to my messages and finding alternatives through people with functioning vpns to communicate. #ZanzibarLivesMatter #ZanzibarLivesMatters
— Franziska Fay (@Franziska_Fay) October 27, 2020
Tena misy ny famerana ny aterineto ao #ZanzibarLivesMatter #ZanzibarLivesMatters . Namana, mpiara-miasa, olom-pantatra marobe ankehitriny no tsy afaka mamaly ny hafatro ary mitady fomba hafa amin'ny alàlan'ny olona manana vpns miasa mba hifandraisana. #ZanzibarLivesMatter #ZanzibarLivesMatters
Nangataka tamin'ny TCRA i Tuno Nassoro mba tsy hamono ny aterineto:
Internet imeanza kusumbua karibu wiki sasa please @TCRA_Tz tunaomba msituzimie tuna mawasiliano mengi muhimu na kuna maisha mengine yanafuata baada ya kesho. @ZainaFoundation . #KeepItOnTz
— Tunu Nassoro (@tunu_nassoro) October 27, 2020
Nanomboka nikorontana ny aterineto nandritra ny herinandro iray lasa izay. Azafady @TCRA_TZ miangavy anao izahay, aza vonoina ny aterineto. Manana fifandraisana manan-danja maro isika ary misy fiainana hafa manaraka aorian'ny rahampitso.
Nisioka ny fanambarany momba ny zava-nitranga ny Twitter Public Policy
Ahead of tomorrow's election in #Tanzania , we're seeing some blocking and throttling of Twitter. #TanzaniaDecides2020
Internet shutdowns are hugely harmful, and violate basic human rights and the principles of the #OpenInternet #KeepItOn https://t.co/Q2SJfsFUiD
— Twitter Public Policy (@Policy) October 27, 2020
Mialoha ny fifidianana rahampitso ao #Tanzania, mahita ny fanakanana sy fangejana ny Twitter izahay
Mampidi-doza tanteraka ny fanakatonana ny aterineto ary manitsakitsaka ny zon'olombelona fototra sy ny fitsipiky ny #OpenInternet #KeepItOn
Araka ny filazan'ny Paradigm Initiative, tsy manana fahefana hanidy tanteraka ny aterineto ny governemanta Tanzaniana. Saingy manome fahefana ny Fahefana Mpanara-maso ny Fifandraisana Tanzania (TCRA) ny Lalànan'ny Fifandraisana Elektronika sy Paositra (Votoaty Antserasera) 2020 mba hanome baiko ireo mpamatsy tolotra hanakana na hanivana votoaty raha heverin'ny TCRA fa voaràra ilay votoaty, hoy ny mpiaro ny zon'olombelona,” araka ny filazan'ilay mpisolovava Daniel Marari.
Tamin'ny 21 Oktobra, nanome toromarika ireo orinasam-pifandraisan-davitra ny TCRA mba “hampiato ny SMS faobe sy ny antso an-tariby faobe” mandritra ny roa herinandro izay mifanandrify amin'ny fifidianana ankapobeny, voalaza fa manivana ireo teny faneva sy ny anaran'ireo kandidà mpanohitra sasany:
#Tanzania orders telecoms to temporarily suspend bulk SMS and bulk voice calls from Oct 24 to Nov 11, 2020 ahead of Oct 28 general elections. There are reports that names of opposition leaders; Tundu Lissu, Maalim Saif can't go through. #TanzaniaElections2020 #TanzaniaDecides pic.twitter.com/NoVoISi1dt
— The Observer (@observerug) October 26, 2020
Mandidy ny fifandraisan-davitra hampiato vonjimaika ny SMS faobe sy ny antso an-tariby faobe manomboka ny 24 Oktobra hatramin'ny 11 Nov 2020 mialoha ny fifidianana amin'ny 28 Okt i #Tanzania . Misy ny tatitra milaza fa tsy hita ny anaran'ireo mpitarika mpanohitra; Tundu Lissu, Maalim Saif.
Nilaza ny taratasy nosoniavin'i Eng Jame Kilaba, tale jeneralin'ny TCRA, fa “mety hanohintohina ny filaminana sy ny fiarovam-pirenena ny fitohizan'ny tolotra mandritra ny fotoam-pifidianana”, hoy ny The Observer.
Access Now niantso izany ho “fanitsakitsahana henjana ny zon'olombelona”:
BREAKING: Tanzania's government has ordered telcos to block bulk SMS messages and filter particular content relating to the presidential election.
The election is this Wednesday.
People will not be able to communicate. This is a severe breach of human rights. #KeepitOn
— Access Now (@accessnow) October 24, 2020
VAOVAO MAFANA: Nandidy ny telcos ny governemantan'i Tanzania mba hanakana ny hafatra SMS faobe sy hanivana votoaty manokana mifandraika amin'ny fifidianana filoham-pirenena.
Ny alarobia izao ny fifidianana.
Tsy ho afaka hifampiresaka ny olona. Fanitsakitsahana mafy ny zon'olombelona ity. #KeepitOn
Mialoha ny fifidianana ankapobeny rahampitso, nanara-maso ny mety ho fanakatonana aterineto any Tanzania nanomboka ny volana aprily ny Zaina Foundation, ary nanomboka fanentanana Twitter antsoina hoe #KeepItOnTz.
Ampahany amin'ny fironana lehibe kokoa manerana an'i Afrika izay safidian'ny governemanta mba hitsabahana ny zon'ny mpiserasera ho an'ny fahalalahana maneho hevitra ny hetsika famerana ny tolotra aterineto ao Tanzania — indrindra mandritra ireo hetsika misy dikany ara-politika lehibe. |
https://mg.globalvoices.org/2020/10/23/150211/ | Tsy fahampian'ny fotodrafitrasa ho fikarakarana ny fahasalamana any ambanivohitr'i Malawi : na ho faty na ho velona | 2020-10-23T03:29:31 | Unknown | Mphatso Gumulira, 15 taona, miaraka amin'ny zanany lahy Zayitwa ao amin'ny hôpitaly Queen Elizabeth ao Blantyre, Malawi. Sary an'ny Flickr DFID , CC BY 2.0 .
Ny 9 Oktôbra 2020 no nivoaka tamin'ny teny anglisy ny lahatsoratra voalohany.
[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mankany amina lahatsoratra amin'ny fiteny anglisy daholo ny rohy ato]
Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Kondwani Magombo no nanoratra ity tantara ity ho an'ny ARTICLE 19 , ary tafiditra ao anatin'ny tetikasa PROTECT vatsian'ny governemanta britanika vola. Fifanarahana mifampizara votoaty no namerenana namoaka azy etoana .
Tamin'ny volana Jona lasa teo, nandritra ny fifidianana farany teo ny ho filohampirenena ao Malawi, raha nandeha nifidy i Jazira Afiya, vehivavy iray tanora 27 taona, efa niteraka 3, dia zavatra tokana no mba faniriany: mba hanome tolotra fikarakaràna ny ara-pahasalamana any amin'ny toerana onenany izay governemanta vaovao eo.
Monina ao Kanyenga i Afiya, vohitra iray mitoka-monina any amoron'ilay farihy ao Mangochi, distrika mivelona amin'ny fizahantany. Any amin'ny 40 kilaometatra miala amin'ny misy azy vao misy fotodrafitrasa ho an'ny fahasalaman'ny daholobe, ary ny fomba tsotra indrindra hankanesana any dia ny moto-taxi , izay misanda 6 000 kwacha malaoita ( 7 euros latsaka kely) ny sarandalana mandroso sy miverina ; vola be tokoa ho ana tantsaha iray mitady izay hivelomany isanandro toa an'i Afiya.
1 346 kwacha malaoita (1,52 euro) isanandro ny karama farany ambany ao Malawi. Araka izany dia mitovy amin'ny karama dimy andro ny saran'ny moto-taxi.
Diso fantatr'ireo mponina ao Kanyenga loatra raha izany marary maty eny an-dàlana hamonjy hôpitaly izany, na koa ireo vehivavy bevohoka teraka manditra ny dia, na indraindray aza mamoy ny zanany.
Iray tamin'ireo vehivavy nihetsi-jaza teny am-pamonjena hôpitaly i Afiya ary nitolona mafy mba ho tonga ara-potoana tany.
« Nanerana ny vohitra aho no nikaroka moto hofaina, saingy tsy nahita », hoy izy mantsy ny ARTICLE 19. « Tokony ho tamin'ny 3 ora maraina, teraka zazalahy kely aho, tao an-tranoko, ary ireo vehivavy teo amin'ny faritra misy ahy no nanampy ahy. »
« Ny ampitson'io, nahavita nanofa moto aho ary rehefa tonga tany amin'ny hôpitaly ihany, dia nolazaina tamiko fa tratry ny aretin-tratra henjana be ilay zanako, raha ny fandinihana azy dia noho ny hatsiaka teny an-dàlana. In-dray mipi-maso tahaka izany fotsiny, nafoiko ny zanako », hoy i Afiya nanazava tamin'ny ARTICLE 19.
Ady mafy ho an'ny ankamaroan'ireo teratany ao Malawi ny fahafahana mahazo fikarakaràna ara-pahasalamana, ary indrindra fa ho an'ireo 84% amin'ny vahoaka izay mipetraka any amin'ireo faritra ambanivohitra. Eo afovoan'ireo lavaka lalina mangitsokitsoky ny resaka fikarakarana ny ara-pahasalamana no misy ireo vehivavy sy ankizy izay mila tolotra manokana toy ny : fikarakarana mialohan'ny hahaterahana, ny fikarakaràna ho an'ny reny sy ny zaza latsaky ny dimy taona.
Ny Drafi-pirenena Stratejika II ho an'ny sehatry ny fahasalamàna (2017-2022) [pdf] dfia milaza fa « 56 % amin'ireo vehivavy lehibe malaoita dia mitanisa hatrany ny elanelana manasaraka an-dry zareo amin'ireo fotodrafitrasa fikarakaràna ny ara-pahasalamàna ho toy ny sàkana goavana tsy ahafahana mahazo ireny fikarakaràna ireny ». Zakain'ny rafitra ara-pahasalamàna ny fahavitsian'ny olona afaka misahana izany sy ny tahan'ny fahabangan-toerana: 67%, ho an'ny toeran'ny mpitsabo mpanampy sy any amin'ireo klinika ary ireo toerana teknika ».
Mbola lavitry ny afo ny kitay, tsy mahavaly ny tanjona kendren'ny malaoita sy ny iraisampirenena. Momba izany, ao anatin'ny lalàm-panorenany, mampanantena i Malawi fa « hanome fikarakaràna ara-pahasalamàna sahaza, mifanaraka amin'ireo filàn'ny fiarahamonina malaoita sy ny fenitra iraisampirenena amin'ny resaka fikarakaràna ara-pahasalamàna».
Tanjon'ny Firenena Mikambana sy ny OMS ny hahazoan'ny daholobe fikarakaràna ara-pahasalamàna amin'ny taona 2030.
Noho ireny fahasahiranana ireny, lasa fitaovana fampielezankevitra mahomby nandritra ireo fifidianana faramparany ny resaka tolotra ara-pahasalamàna. Noho ireo andiana fampanantenana nataony, indrindra fa momba ny fanomezana fikarakaràna ara-pahasalamàna ao amin'ny firenena no antom-pandresen'ny governemanta vaovaon'ny fiarahamitantana entin'i Tonse.
Raha miandry fatratra ny governemanta vaovao mba hanatontosa ireo fampanantenany ry Afiya sy ny mpiray vodirindrina aminy, ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonina sivily ao amin'ny firenena kosa mandre ny antsoantson'ireo vondrompiarahamonina ao an-toerana ary mitaky asa fa tsy kabary.
« Amin'ny alàlan'ny “National Advocacy Forum”, mitondra ny anjara birikinay izahay ho any amin'ny governemanta, momba ireo olana manohintohiina ny zon'ny vahoaka », hoy i Emma Kaliya, mpikatroka ho an'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy no sady talen'ny “Malawi Human Rights Resource Centre (MHRRC)”. « Natolotray ny filoha ny fandaharanasanay momba ny fahafahana mahazo fikarakaràna ara-pahasalamàna fototra ho an'ireo vehivavy sy ankizy ».
Angatahan'i Emma Kaliya ny governemanta mba hametraka haingana klinika afaka mifindrafindra toerana handeha any amin'ireo faritra lavitra sy saro-dàlana toa an'i Kanyenga.
« Ireo olana mifandraika amin'ny fikarakaràna ara-pahasalamàna ny reny sy ny zaza dia tokony ho laharam-pahamehana entina mamongotra ny taham-pahafatesana sy ny aretina mitondra fahafatesana, izay tena mbola avo be », hoy i Dorothy Ngoma, mpikatroka sy mpandresy lahatra momba ny fikarakaràna ara-pahasalamàna, izay hatramin'ny 2018, izy no filohan'ny Fikambanana nasiônalin'ireo vehivavy mpitsabo mpanampy sy mpampiteraka ao Malawi.
Angatahan'i Dorothy Ngoma mba hanangana toerana maromaro natao ho fandraisana sy fampiterahana ihany koa ny governemanta, ary hampiditra mpitsabo mpanampy misimisy kokoa, mpitsabo ary ireo mpiasa hafa aminà klinika.
« Tiako ampitaina amin'ny governemanta vaovao fa ny fiarahamonina sivily sy ny vahoaka eto Malawi dia mijery antsika ary tsy hanaiky zavatra hafa ankoatra izay », hoy izy tamin'ny ARTICLE 19.
Milaza ny governemanta fa hanohy hiasa mba hamahàna ireny olana ireny, amin'ny fanombànana ny firotsahana tokony hatao sy ny enti-manana ho atolotra ny olona, indrindra fa ireo faritra ambanivohitra.
Nanambara tamin'ny ARTICLE 19 ny Dr Charles Mwansambo, avy amin'ny ministera misahana ny fahasalamàna ao Malawi, fa : « Efa niketrika drafitra iray izahay, izay mametraka ho laharam-pahamehana ny fananganana fotodrafitrasa ho fikarakaràna ara-pahasalamàna any amin'ireo faritra lavitra sy saro-dàlana, mba hahafahana manatsara ny fahafahana mahazo ireo tolotra fikarakaràna fahasalamàna ho an'ny Malaoita rehetra. Kanefa, tsy afaka ny hihazakazaka araka izay itiavantsika azy isika amin'ny fanorenana satria voafetra ihany ny kitapombola. Miasa manetsika ireo mpiaramiombona antoka eto an-toerana sy any ivelany, araka izany, ny governemanta mba hahafahantsika manangana fotodrafitrasa hafa ».
Ankoatra ny tsindry zakain'ireo tolotra fikarakaràna ny fahasalamàna nandritra ny valanaretina, misy fanbamby vaovao iray goavana manangasanga : ny fitomboan'ny isan'ireo mitondra vohoka sy ny fampanambadiana ankizy. Ny distrikan'i Mangochi dia naharaketana tovovavy miisa 7.400 mitondra vohoka, teo anelanelan'ny Janoary sy Jona tamin'ity taona ity ; nihoatra 1.000 raha oharina amin'io vanim-potoana io tamin'ny 2019.
Manahy ny mety hihasarotan'ny raharaha amin'ny hoavy i Dorothy Ngoma, satria betsaka ireo tovovavy ireo no mety hisafidy ny fanalàna zaza, izay tsy eken'ny lalàna ao Malawi raha tsy hoe tandindonin-doza ny ain'ilay reny.
« Tsy maintsy mivonona isika hanome tolotra ho an'ireo ankizivavy bevohoka nizotra ho amin'ny fanalàna zaza, ary tsy maintsy manohana ireo ray aman-drenin'ireny ankizivavy ireny isika », hoy ny nambarany. |
https://mg.globalvoices.org/2020/10/22/150190/ | “Abidjan Blog Camp” sy ny hetsika “Soraty anaty bilaogy ny fialantsasatrao” | 2020-10-22T03:56:34 | Unknown | Sombiny avy amin'ny bilaogy vaovaon'ilay tetikasa :
Ny lohahevitry ny fanazàrana ho an'ireo mpianatra ato aminay dia ny fanoratana lahatsoratra momba ny fialantsasatr'izy ireo rehefa tapitra ny sekoly. Hitantara ny tontolo manodidina azy izy ireo, ny vakiboky nataony, izay nahaliana azy. Hizara ny tantarany, ny saripika sy ireo lahatsary noraketin-dry zareo.
Ny hetsika « Soraty ho bilaogy ny fialantsasatrao » dia tafiditra ao anatin'ny hetsika « AbidjanBlogCamps ». Ny fandaharanasa « AbidjanBlogCamps » dia misy andry lehibe roa ijoroany :
- lasitra fiofanana iray momba ny fampiasàna ireo media sôsialy (bilaogy, podcast, tambajotra sôsialy, sns…), misokatra ho an'ireo fikambanana samihafa, antokon-draharaha, sekoly sy andian-tanora ao amin'ny distrikan'i Abidjan (Côte d’Ivoire).
- bilaogy iray iombonana izay ho toerana fanaovana andrana fampiharana ho an'ireo vondrompiarahamonina isankarazany ho tonga hiofana.
Ireo adolantsento miaina fialantsasatra no ho laharam-pahamehana voalohany ho an'ilay hetsika, noho ny antony roa :
- matetika no tsy zoviana amin'izy ireny intsony ny aterineto, no sady matetika mampiasa izany ry zareo mba hiresahana ny momba azy fotsiny.
- Mpitaridàlana ry zareo ary afaka handrisika ireo ray aman-dreniny ho liana misimisy kokoa amin'ny “web 2.0″.
Asain'ilay lahatsoratra ihany koa ireo mpianatra mba hisoratra anarana maimaimpoana amin'ny alàlan'ny fandefasana tsotra fotsiny hafatra ho an'ny abidjanblogcamps@gmail.com .
Théophile Kouamouo , filohan'ilay tetikasa, dia nampahafantatra tamin'ny alàlan'ny imailaka tany aloha fa:
Mandrafitra izahay fanentanana nasiônaly iray momba fanoratana bilaogy. Eo andalam-panoratana bokikely iray torolàlana izahay ary hampiasa azy io ho entina mikarakara karazana fanaingan-dresaka ivelan'ny aterineto. Miaraka amin'io bokikely taridàlana io, ho hazavainay amin'ireo mpitarika fikambanana ny lanjan'ny fanoratana bilaogy ary horesenay lahatra ry zareo handefa ny olona ao aminy hanatrika ireo atrikasa ataonay. Hanao resaka ho an'ny gazety ihany koa izahay.
Manantena izahay fa ireny ezaka rehetra ireny dia hahazoana ny isa ilaina avy amin'ireo mpandray anjara mafàna fo.
Nisy lahatsoratra iray nahaliana tao amin'ny bilaogy Africa2.0 nanoritsoritra ny tsy fahampian'ny fampakàrana lahatsary ho ety anaty aterineto avy any amin'ireo firenena afrikàna (avahana tsy anatin'izany i Afrika Atsimo; Kenya, Maraoka ary Nizerià). Misy lahatsary vitsivitsy momba an'i Afrika any anatin'ireo tranonkala fifampizaràna toy ny youtube, izay ny ankamaroany dia ireo any ampielezana no namahana azy. Omen'ilay bilaogy ny antony:
Tena marina fa vitsy kely ireo lahatsary notontosain'ireo Afrikàna monina ao amin'ny tanibe. Miaraka amin'ireo endri-piainana andavanandro, ireo hetsipanoherana, ireo andiana hatsikana mandeha amin'ny fantsom-pahitalavitra ao an-toerana, azo lazaina fa tsy ny zavatra azo araraotina na ny lohahevitra no tsy misy. Io tsy fahampiana io dia azo hazavaina amin'ny zavamisy hoe vitsy ny afrikàna no manana fakantsary nomerika (cameras) ho entina manatontosa rakitsary, ary na ohatra aza ireo finday sasany manome fahafahana mirakitra zavamiseho amin'ny fiainana andavanandro miaraka amina kailtao azo ihafiana. Sady koa tsy mora ny mampakatra lahatsary iray manana habe 100Mo raha mbola tambajotra milodaka be no mba ananana any amin'ny firenena afrikàna sasantsasany tsy mbola misy fahafahana miditra amin'ilay karazany ADSL. Saingy any amin'ny toerana misy ireo mpisera aterineto afaka mahazo koriana matanjaka, misy fampiasàna mahaliana tsikaritra mipoitra ihany ao amin'ny tanibe ao.
Satria hisy fampianarana mamokatra sy mizara lahatsary ao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny “Abidjan Blog camp”, manantena isika fa hahazo valiny sahaza ireo resaka nifanaovana tery ambony. |
https://mg.globalvoices.org/2020/10/06/149734/ | Nalain'ny jiolahy mitam-piadiana ankeriny tany Kaduna, Nizeria ireo ankizy mpianatra sy ilay mpampianatra azy ireo | 2020-10-06T05:08:53 | Unknown | Ankizy mpianatra any amin'ny Fanjakan'i Kaduna, Nizeria. Sary avy amin'i Jeremy Weate , 15 Janoary 2010 tao amin'ny Flickr / CC BY 2.0 .
Nanafika sekoly ambaratonga faharoa tany Kaduna, avaratra andrefan'i Nizeria ny 24 Aogositra lasa teo ny jiolahy mitam-piadiana ary namono olona iray sy naka an-keriny mpianatra miisa efatra sy mpampianatra iray, hoy ny tatitra nataon'ny mpampita vaovao Nizeriana, SaharaReporters.
Tonga tao an-tanànakely antsoina hoe Damba-Kasaya any amin'ny governemantam-paritr'i Chikun, Fanjakan'i Kaduna, ireo lehilahy mitam-piadiana, tokony ho tamin'ny 7:45 maraina, nitondra moto nanafika ny fokonolona aloha ary fantatra fa namono an'i Benjamin Auta, tantsaha iray, araka ny gazety an-tserasera Nizeriana Premium Times.
Avy eo dia niroso nankany amin'ny sekoly ambaratonga faharoa Prince Academy ireo lehilahy nitam-piadiana ary naka an-keriny an'i Christianah Madugu, mpampianatra sy ny mpianatra miisa efatra: Favor Danjuma, 9 taona, Miracle Danjuma, 13 taona, Happy Odoji, 14 taona, ary Ezra Bako, 15 taona.
Nilaza tamin'ny Daily Trust, gazety Nizeriana mpivoaka isan'andro, ny rain'i Happy, Isiaka Odoji fa mangataka sorom-panavotana mitentina 20 tapitrisa naira (eo amin'ny 53.000 USD eo) ireo jiolahy mitam-piadiana mba hanafahana ny zanany – vola izay tsy ho hitan'izy ireo mihitsy.
Eo ampamaranana ny taom-pianarana amin'ny sekoly ambaratonga faharoa ary teo ampanaovana ny fanadinana farany ireo mpianatra nalaina an-keriny. Noho ny valan'aretina COVID-19 dia ny mpianatra kilasim-panadinana ihany no navela hiverina an-tsekoly.
Na ny governemanta federaly na ny fanjakan'i Kaduna dia samy nangina manoloana ny mety hanjo ireo mpianatra nalaina an-keriny sy ilay mpampianatra azy ireo.
‘Andro mahazatra izany ao Nizeria’
Nolazain'ny mpisera Twitter Ndi Kato ho mandravarava izany ho an'ny firenena:
Today in Kaduna state, children in exit classes who were told to resume school were kidnapped by armed gunmen. One was reportedly killed. Small boy, his life cut short. The others have been taken away and we may never hear of them again.
This should devastate any nation…
— Ndi Kato (@YarKafanchan) August 24, 2020
Nalain'ny jiolahy mitam-piadiana ireo ankizy kilasim-panadinana nantsoina hanohy ny fianarana indray androany tany amin'ny fanjakan'i Kaduna. Voalaza fa olona iray no novonoina. Namoy ny ainy ilay zazalahy kely. Ny hafa nentina ary mety tsy ho henontsika intsony ny momba azy ireo.
Tokony hanohina ny firenena izany …
Saingy mbola toy ny “andro mahazatra izany any Nizeria” io, mpampiasa Twitter Chima Chigozie:
Some school children were kidnapped in kaduna, one of the school boys was killed along the line. The boys life was cut short, the school children are being held in fear. This should spike the nation but NO, it's a normal day in Nigeria.
— Chima Chigozie (@CallMeGozie) August 25, 2020
Nisy ankizy mpianatra nalaina an-keriny tao Kaduna, novonoina ny iray tamin'ireo zazalahy mpianatra nandritra izany. Namoy ny ainy ilay zazalahy, matahotra ireo ankizy mpianatra. Tokony hanohina ny firenena izany kanefa TSIA, fa toy ny andro andavanandro eto Nizeria.
Nanakiana ny politika noho ny tsy fananan'ny vahoaka fangoraham-po sy hatezerana ho an'ireo ankizy mpianatra nalaina an-keriny i Jaja:
The abducted Kaduna Boys will not get the same support and attention as the Chibok Girls because firstly, they are boys, and secondly, GEJ isn't President.
— Jamal (@JajaPhD) August 26, 2020
Ireo ankizilahy tao Kaduna nalaina an-keriny dia tsy hahazo fanohanana sy fihetseham-po tahaka ny zazavavy tao Chibok satria voalohany, zazalahy izy ireo, ary faharoa, tsy filoham-pirenena i GEJ.
Goodluck Ebele Jonathan (GEJ) no filohan'i Nizeria raha naka an-keriny zazavavy mpianatra miisa 276 avy amin'ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa ny milisin'ny Boko Haram avy any amin'ny tanàna avaratra atsinanan'i Chibok tamin'ny volana Aprily 2014. Nitarika ny hetsiky ny tenirohy manerantany #BringBackOurGirls (Avereno ny zazavavinay) izay nanakoako tamin'ny olona an-tapitrisany maro manerantany.
Tamin'ny 19 Febroary 2018, naka ankeriny zazavavy miisa 110 tao amin'ny Sekolim-panjakana ho an'ny zazavavy mandalina ny Siansa sy ny Teknika tao Dapchi, Fanjakana Yobe, avaratra atsinanan'i Nizeria ihany koa ny Boko Haram.
Miverimberina matetika ny fakana an-keriny ankizy mpianatra any Damba-Kasaya sy ny mpampianatra azy ireo.
Ny hany maha samihafa azy dia tsy ny Boko Haram tamin'ity indray mitoraka ity no tompon'andraikitra tamin'ilay tranga nahatsiravina fa ny jiolahy mitam-piadiana.
Ny habibian'ireo jiolahin'i Kaduna
Nirongatra ny herisetra ataon'ny jiolahy tany avaratra andrefan'i Nizeria, any amin'ny fanjakan'i Zamfara, Kaduna, Niger, Sokoto, Kebbi ary Katsina.
Nanamafy ny ACAPS, ny fikambanana mahaleo tena mpiaro ny zon'olombelona fa “tsy misy ifandraisany amin'ny fikomiana Boko Haram any avaratra atsinanana” ity herisetra mitam-piadiana ity:
The banditry violence began as a farmer/herder conflict in 2011 and intensified between 2017 to 2018 to include cattle rustling, kidnapping for ransom, sexual violence and killings. By March 2020, more than 210,000 people have been internally displaced.
Niatomboka tamin'ny adin'ny tantsaha sy ny mpiompy tamin'ny taona 2011 ny herisetra ataon'ny jiolahy ary nihamafy teo anelanelan'ny 2017 ka hatramin'ny 2018 ka nahitana halatr'omby, fakana an-keriny hanaovana takalon'aina, herisetra ara-nofo ary famonoana olona. Tamin'ny volana Martsa 2020, olona maherin'ny 210.000 no nafindra toerana anatiny.
Navela ho tsy afa-manoatra manoloana ireto jiolahy ireto izay namono olona miisa 1.126 farafahakeliny tany avaratr'i Nizeria teo anelanelan'ny volana Janoary sy Jona tamin'ity taona ity ny mponina ambanivohitra.
Ny tananakely any atsimon'i Kaduna no voa mafy indrindra, satria olona miisa 366 no novonoina nandritra ny tapaky ny voalohan'ny taona 2020, hoy ny Amnesty International.
Niaina andiana fanafihana milisy izay niafara tamin'ny famonoana, fakàna an-keriny ny Chikun LGA, tranon'ireo mpianatra nalaina an-keriny, “ary vondrom-piarahamonina miisa 45 no nafindra toerana sy nobodoina hatramin'ny taona 2019,” hoy ny Sendikam-bahoaka any Kaduna Atsimo.
Nanambara ny mponina any atsimon'i Kaduna fa mpiandry omby Fulani ireo jiolahy izay voairaka amin'ny fibodoana tany ary manaiky izany ankolaka ny governemanta federaly sy ny fanjakana.
Saingy nandà ny governoran'ny fanjakana Kaduna, Nasir El-Rufai fa tsy misy ifandraisany amin'ny fibodoana tany na noho ny antony ara-pivavahana sy ara-poko ny famonoana olona .
Tamin'ny 22 Aogositra, nanalefaka ny ora tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina manomboka amin'ny 6 hariva ka hatramin'ny 6 maraina ny governemantan'i Kaduna, izay nampiharina tany amin'ny faritra sasany ao amin'ny fanjakana mba hamehezana ny asan-jiolahy.
Na eo aza izany dia nitaraina i Luka Binniyat, mpitondra tenin'ny Sendikam-bahoaka any Kaduna Atsimo (SOKAPU) fa “mamono azy ireo ihany koa ny hanoanana satria tsy afaka mankany amin'ny toeram-piompiana izy ireo ary tsy afa-manoatra ny vahoakan'izy ireo.” |
https://mg.globalvoices.org/2020/09/30/149917/ | Gabôna hatrany Môzambika, mampanontany tena an'ireo artista ny dikan'ilay fomba fiteny hoe “Ny Tontolo Atsimo” ao anaty fampirantiana iray vaovao ety an-tambajotra | 2020-09-30T05:44:04 | Unknown | «Aiza ny Atsimo» atolotr'ireo artista 90 avy amina tanàna samihafa manotany tena momba ny dikan'ilay fomba fiteny hoe «Ny Tontolo Atsimo». Sary natolotra am-pitiavana avy amin'ny Fondation Moleskin.
[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mankany amina lahatsoratra amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra]
Ny “Global South” (Ny Tontolo Atsimo). Fomba fiteny iray mavesatra sy miaty hevitra pôlitika izay mazàna no ampiasaina hanondroana ireo faritra tena mifanao atsimo sy avaratra eto ambonin'ny tany .
Mihoatra ny 90 ireo tanora artista avy ao Gabôna, Môzambika, Fanjakana Mitambatra, Etazonia, sy hatramin'ireo mpitady fialokalofana, mpitsoaponenana ary mpifindra monina avy any Nizerià, Gambia sy Kamerona ka mipetraka ao Italia, no manontany tena momba ny fotokevitra “Ny Tontolo Atsimo”, ao anatin'ilay fampirantiana vaovao virtoaly nomeny lohateny hoe “Aiza ny Atsimo?” izay hatomboka amin'ny volana ho avy io.
Ao anaty fanambaràna an-gazety iray, hamafisin'ireo mpikarakara ilay fampirantiana fa ny fampiasàna ny fomba fiteny hoe “ Global South” (Ny Tontolo Atsimo) dia matetika “hitsin-dàlana iray entina milaza ampahany amin'ity planeta ity ho toy ny ambany, tsy mivoatra na mahantra / nampahantraina”. Ny hafa mampiasa azy amin'ny fomba azo ampifanolosoloina amin'ny hoe “ tiers monde ” (Tany an-dalampandrosoana) [fr], izay mametraka olana sy mamitaka, nitranga nandritra ireo ady mangatsiaka nentina namaritana ireo firenena tsy nomba ny tatsy sy ny taroa, sady tsy nitanila ho any amin'ny Organisation du Traité de l'Atlantique Nord (OTAN) [fr], no tsy nitanila ho any amin'ny Pacte de Varsovie [fr].
These young people reclaimed their power to define the word as a very intimate notion that varies according to the place where they are and where they want to reach. The exhibit powerfully reveals that there cannot be any south without the gaze we invest it with.
Tsy olana na aiza na aiza eto amin'izao tontolo izao no misy antsika, misy foana ny “Atsimo” hoy ny nambaran'i Simon Njami, iray amin'ireo mpiaraka mikarakara ilay fampirantiana. “Naverin'ireo tanora ireo nalaina ho an-tànany indray ny fahefana manome vala famaritana ho an'ilay fomba fiteny, ho toy ny fomba filaza faran'izay akaikin'ny fo ary miovaova arakaraky ny toerana misy an-dry zareo sy izay tiany hotratrarina. Amin-kery no avoitran'ilay fampirantiana fa tsy afaka hisy “atsimo” raha tsy isika no mametraka izay fomba fijery izay.
Manomboka ny 1 Oktôbra hatramin'ny 30 Oktôbra 2020, horaisin'ilay fampirantiana an-tànana ny fitantanana ny pejy Instagram an'ny Moleskine Foundation.
Ireo asakanto dia vokatry ny fahaizamamorona tao amin'ny hetsika AtWork an'ny Moleskine Foundation, “atrikasa iray fampianarana mitety tanàna natao mba hivoahan'ireo fahaizamamorona ananan'ny tanora amin'ny alàlan'ny fihevitra mahay mitsikera, adihevitra lalina ary ny fahafantarany ny tenany”.
Tao Dakar, Senegal no natomboka ny AtWork tamin'ny 2012, ary nanomboka teo dia nitety an'i Afrika sy tany ivelany aza “mba ho aingampanahy hananganana tambajotra iraisan'ireo afrikàna mpisaintsaina sy erantany ka manana famoronana” hoy ny Moleskin Foundation [fr].
Frank Noel Makosso, mpandray anjara tamin'ny AtWork, Libreville 2019. Saripika an'ny Bunny Studio.
Ireo artista, 18 hatramin'ny 27 taona daholo, dia mamerina mametraka fanontaniana momba ireo fomba fisaina ny atao hoe fahaleovantena, ny maripamantarana manokana, ny sisintany ary ny tantara.
Tamin'ny fanolorana kahie voajirika niisa 90, nohaingoana ary novaina, noforonin'ireo artista tany amin'ireo tanandehibe AtWork tsirairay izay nanaovana ireo atrikasa tamin'ny 2019, tao anatin'ny fotoana iray izay niadian'ny ny olona hevitra momba izay fomba hananganana fiarahamonina tsy mitanila ao anatin'izao tontolo izao aorian'ny valanaretina, ilay fampirantiana kosa namerina namaritra ilay teny feno ideolojia”, hoy ilay fampitan-kafatra ho an'ny gazety.
Ilay atrikasa AtWork tao Libreville dia nahasarika tanora mpanao soradihy, mpanao tefiendrika (designers), mpandraharaha, poeta mpanao ‘slam’, mpanatontosa sarimihetsika, mpilalao tantara, mpanao asatanana, mpakasary ary mpanabe izay nihaona mba “hiampiady hevitra, hifanakalo sy hikaroka ny ‘Atsimo’-ndry zareo manokana.”
Nandray anjara tamin'ilay atrikasa AtWork Libreville i Frank Noel Makosso, tompondakan'ny ‘slam’, sokajy tononkalo, tao Libreville, ao Gabon. Aminy ny teny hoe “Atsimo” dia toy ny “ilay izaho ao anatiko lalina”. Ho an'ilay fampirantiana, tao anatin'ny asakanto iray nomeny anarana hoe “ Ahoana no enti-milaza ny tsy hay tononina? “[fr], namorona fanambantambàran-teny ahitàna teny frantsay sy anglisy nalaina tanaty gazety sy gazetiboky nohetiketezana sy naraikitra i M. Makossa.
“ Ahoana no enti-milaza ny tsy hay tononina? » an'i Frank Noel Makosso, Libreville, Gabon. Miaraka amin'ny fanomezandàlana am-pitiavana avy amin'ny Moleskine Foundation Collection.
Indro ny topimaso tamin'ireo asakanto vokatra avy amin'ny atrikasa AtWork Libreville 2019 :
Ny AtWork Maputo 2019 dia nahitàna atrikasa iray naharitra 5 andro notarihan'i M. Njami, niarahany niasa tamin'i Pfwura Ndzilo sy Anima, tamin'ny Novambra 2019. Artista 25 avy ao an-toerana no nihaona tao amin'ny Tranombakoka nasiônaly tao Môzambika mba hitrandraka sy hiady hevitra momba ny dikan'ny hoe “Atsimo”. Fampirantiana iray tao amin'ilay Tranombakoka no namarana ny atrikasa, teo anelanelan'ny Novambra 2019 sy Janoary 2020 .
Indro ny topimaso tamin'ireo asakanto vokatra avy amin'ny atrikasa AtWork Maputo 2019:
“Our goal is to create a welcoming and creative space where young people can think differently, get out of their comfort zones, and are free to question the society around them,” said Adama Sanneh, CEO of the Moleskine Foundation.
“Ny tanjonay dia ny hamorona habaka iray tsara fandray sy misy famoronana ka hahafahan'ireo tanora misaina amin'ny fomba hafa, mivoaka ny fari-piadànana misy azy ireo ary malalaka afaka hametraka fanontaniana momba ny fiarahamonina misy azy ireo”, hoy ny nambaran'i Adama Sanneh, filoha tale jeneralin'ny Fondation Moleskine.
Simon Njami (havia) sy ireo mpandray anjara tamin'ny AtWork nandritra ny AtWork Libreville, Gabon, 2019. Saripika an'ny Bunny Studio.
Hametraka an'i Gabon ho lohalaharana amin'ny toekarena feno famoronana
Ny tanàna amorontsirak'i Libreville, renivohitr'i Gabon, dia antsoina hoe ilay “tanàna afaka” satria tamin'ny 1849 izy dia nambara tamin'ny fomba ofisialy ho tanànan'ireo andevo nomena fahafahana. Ankehitriny, io no iray amin'ireo tanàna dimy lafo fiainana indrindra ao Afrika , saingy tsy dia omena lanja mandrakariva ao ny fahaizamamorona. Tsy misy ivontoerana na toerana fampirantiana, ary soa aza fa eo ny fandaharanasa ara-kolontsaina atolotry ny Ivontoerana frantsay .
Bunny Claude-Massassa, mpandray anjara tamin'ny AtWork Kampala 2018 fiarahamiasa tamin'ny AtWork Libreville 2019. Saripika an'ny Bunny Studio.
Tamin'ny nananganany ny Mukasa [fr], fikambanany tsy miankina amin'ny fanjakana, i B unny Claude-Massassa, artista ‘multimedia’ ary efa nandray anjara tamin'ny AtWork 2018, dia nanapaka hevitra ny hitsabo ilay tsy fahampiana habaka ao Libreville natao ho an'ny kolontsaina mahaleotena.
Izy araka izany no nanomboka voalohany ny habaka tsy miankina amin'ny fanjakana ao an-tanàna, natao ho an'ireo adihevitra momba ny kolontsaina sy ny fahaizamamorona. Ny Mukasa no nandray ny atrikasa AtWork 2019, “Aiza ny Atsimo”, niarahana tamin'ny Mozea Nasiônaly ao Gabon sy ny Ivontoerana frantsay.
Ny fotokevitra dwabi no aingam-panahy niaingan'ny Mukasa; dwabi, vita tamin'ny tady narandrana, midika hoe “fanantonana harona” ao Gabon, sy amin'ny fitenim-paritra punu .
Ilay dwabi – izay samy mampiasa azy na lahy na vavy mba hitaterana entana mavesatra amina làlana lavitra – dia lasa entina milaza ireo hetsika rehetra ataon'ny Mukasa, amin'ny fiandrandràna ny ho lasa fifamatorana mafy eo amin'ny zavakanto, kolontsaina ary ny daholobe.
Kendren'ny Mukasa ny “hamorona, hampivoatra ary hanohana rafi-piainana voajanahary iray mirindra sy misy fahaizamamorona” mba hanamafisana ny sehatra artistika ao Gabon sy hitazonana anjara toerana fototra, ary ao anatin'ny tsena any amin'ny faritra. Misy toerana natokana ho an'ny fanovozam-baovao ary habaka iray ho fampirantiana ao anatin'ilay ivontoerana, misy ihany koa toerana natao ho fihaonana sy fialantsasatr'ireo artista .
Ny tranoben'ny Mukasa ao Libreville, Gabon, dia manome habaka iray ho an'ireo artista mba hihaonan'izy ireo, handalinany sy hanaovany fampirantiana. Saripika azo maimaimpoana avy amin'ny Fondation Moleskin.
Tamin'ity taona ity, nohamafisin'ny ministeran'ny kolontsaina sy ny zavakanto ao Gabon ny fanohanan'ny fanjakana ireo orinasa misehatra amin'ny kolontsaina sy asa famoronana (ICC), tamin'ny fametrahany ny fenitra voalohany araka ny lalàna, ho entina mitrandraka ireo fahafahana ara-tsôsialy sy toekarena vao mipongatra, hoy ny [fr] UNESCO.
Mampiakatra an'i Gabon ho eny an-tampon'ny tetezamitan'i Afrika Afovoany ho any amin'ny toekarena feno famoronana manara-drafitra izany.
Hatramin'ny niantombohan'ny valanaretina, voadona ny sasany tamin'ireo toekarena feno famoronana tao amin'ilay tanibe – indrindra fa ny sehatra tsy manara-drafitra no mamelona azy. Noho ny fanafoanana nateraky ny coronavirus, voatery niato kely tamin'ny fandaharanasany ireo mpiangaly mozika sy artista mpanao asakanto natao hojerena, izay amin'ny ankapobeny dia mihodina sy mandray anjara amin'ireo fampirantiana mivantana . Fa amin'ny ankapobeny, mampiasa olona manodidina ny dimy hetsy eo ny sehatry ny kolontsana ao amin'ny tanibe Afrika, ary miteraka fidirambola 4,2 miliara dolara amerikàna manerana an'i Afrika. |
https://mg.globalvoices.org/2020/09/27/149886/ | Fotoana izao hanesorana an'i Sodàna tsy ho anatin'ny lisitr'i Etazonia manondro ireo firenena mpampihorohoro | 2020-09-27T15:09:01 | Unknown | Mpinamana nihaona tao Khartoum, renivohitr'i Sodàna. Sary tao amin'ny Pikist , tahirintsary azo ampiasaina malalaka.
Tamin'ny Aprily 2019, nesorin'ny vahoaka sodaney ny fitondràna miaramila tao aminy, izay nifehy ny firenena nandritra ny 30 taona . Anisan'ireo lova ratsy marobe navelany, tsy maintsy nozakain'ny firenena ny nampidiran'i Etazonia azy ho ao anatin'ny lisitr'ireo firenena mpanohana ny asa fampihorohoroana (SST) .
Herintaona izao no nametrahan'i Sodàna ny governemanta tetezamita, saingy mbola tsy matoky i Etazonia ka tsy nanàla an'i Sodàna tao anatin'ilay lisitra, ary tena miantraika mafy amin'ny toekarena sy ny hoavin'i Sodàna izany.
Tamin'ny Aogositra 1993, nampidirina ho anatin'ny lisitr'ireo firenena mpanohana ny asa fampihorohoroana i Sodàna, noho ny fiheverana hoe ny fitondràna tao Sodàna tamin'izany fotoana izany, teo ambany fitarihan'i Omar al-Bashir, dia “nanohana ireo vondrona mpanao asa fampihorohoroana erantany , isan'izany ny Fikambanana Abu Nidal, ny Jihady Islamika Palestiniàna, ny Hamas, ary ny Hezbolà. ”Hita tao anatin’ ireo sazy nanaraka an'io fanoratana azy tanaty lisitra io ireo faneriterena mahakasika ny tohana avy any ivelany omen'ny amerikàna, ny teritery ara-bola, ary ny fandraràna ny fifampivarotana fitaovam-piarovana afarana avy any ivelany. Nisy ihany koa ireo sazy izay nahazo ireo firenena hafa miditra anaty fifampiraharahàna hifanerasera ara-barotra amin'ireo firenena voalaza fa fanjakàna manohana ny asa fampihorohoroana.
Ny governemanta tetezamita tarihan'ny sivily ao Sodàna dia manamafy fa tsy misy ao Sodàna amin'izao andro ankehitriny izao ireny fikambanana mpanao asa fampihorohoroana ireny. Nandritra ny kabariny tamin'ny Septambra 2019 nanoloana ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana, nohamafisin'i Abdalla Hamdok, praiminisitra ao Sodàna, fa hetsiky ny fitondràna nesorina teo aloha izany . Kanefa, mbola mijanona ao anatin'ny lisitra SST hatrany i Sodàna, ary tena misy fiantraikany tokoa io amin'ny resaka fanasaziana ny governemanta, indrindra fa amin'ny fanerena ny governemanta amerikàna handà ireo fampindramambola ataon'ny Banky Iraisampirenena sy ireo fikambanana hafa mpamatsy vola iraisampirenena. Tafiditra anatin'ireo sazy ihany koa ny teritery momba ny fahazoandalana omena ireo handranto fianarana.
Tamin'ny Aogositra lasa teo, nahavita fifanarahana iray niarahany tamin'ny fitantanan'i Trump ny governemanta sodaney, tamin'ny fametrahana vola tao amin'ny kaonty iray, mitentina 335 tapitrisa dolara amerikàna, ho an'ireo fianakaviana niharam-pahavoazana tamin'ireo fanafihana niharo asa fampihorohoroana izay nandraisan'ny fitondràna teo aloha anjara tamin'ny fanohanana azy nandritra ny taompolo roa lasa. Ao anatin'ireo fanafihana voakasik'io fifanarahana io ny fanafihana tamin'ny baomba nahazo ny masoivoho amerikàna tany Kenya sy Tanzania tamin'ny 1998 ary ny fanafihana ny USS Cole tamin'ny taona 2000.” Io fifanarahana io dia notohanan'i Edith L. Bartley , mpitondratenin'ireo fianakavian'ny Amerikàna maty tamin'ny fanafihana tamin'ny baomba.
Mety hitsingilahila ihany anefa ireny ezaka ireny noho ny filazàn'ireo fianakaviana sasany tamin'ireo niharam-pahavoazana tamin'ireo fanafihana 11 Sept hoe nandray anjara tamin'ireny fanafihana niharo asa fampihorohoroana ireny i Sodàna. Tamin'ity taona ity, tao anatin'ny fankalazana ny fahatsiarovana ireny fanafihana ireny , namoaka fanambaràna iray ny loholona amerikàna Bob Menendez nanoritsoritany ny fifampiraharahàna nisy teo amin'ny governemanta sodaney sy amerikàna ho toy ny “ felaka tehamaina teny amin'ny tavan'ireo niharam-pahavoazana tamin'ireo fanafihana tamin'ny 11 Septambra sy ireo fianakavian'izy ireny” ary nilaza fa holaviny izay rehetra tolodalàna” tsy manisy fanajàna mendrika azy ireo sy mijery amim-pahamendrehana an'ireo niharam-pahavoazana tamin'ny 11/9 sy ireo fianakaviana.”
Mazava loatra fa tsy misy mitombina ireny fiampangàna ireny. Noureldin Sati, masoivoho sodaney ao Etazonia, dia nandà tanteraka ireny fanambaràna ireny, ary nanisy tsindrimpeo hoe tsy nisy na iray aza fitsaràna nanamafy azy ireny . Ny tena zavadehibe dia nomarihan'ny tatitry ny kaomisiôna mahaleo tena momba ny raharaha 9/11 fa “… tsy misy fananan'i Bin Laden ho loharanombolan'ny Al Qaeda ao Sodàna.” Nohamafisin'ilay tatitra ihany koa hoe “ rehefa noterena hiala tao Sodàna i Bin Ladeb tamin'ny 1996, nalain'ny governemanta Sodaney ny fananany ary nogiazany ny kaontim-bolany, araka izany dia azo lazaina ho nandao an'i Sodàna tamin'ny tànam-polo izy.”
Ny ankamaroan'ireo Amerikàna mpanao lalàna, avy amin'ny ankolafy roa, dia samy mankasitraka ny fanohizana ilay fifanarahana, saingy misy loholona roa manohitra azy io noho ny antony naroso etsy ambony. Vao haingana anefa, ny sekreteram-panjakana amerikàna, Mike Pompeo, nandefa taratasy ho fanohanana ny fampandaniana ilay lalàna momba ny tsimatimanota . Ao anatin'izany, nilaza izy fa ilay fifanarahana dia “iray tsy miverina ao anatin'ny andian-taranaka iray” mba hahazoana fanonerana ho an'ireo marobe niharam-pahavoazana tamin'ireny fanafihana niharo asa fampihorohoroana ireny, ary hatramin'ny fanomezana tohana ho an'ny demaokrasia vao miana-mandeha ao Sodàna, taorian'ny nanilihany samy irery ny fitondrana jadona Al-Bashir.
Manohana ilay fifanarahana ireo Amerikana manampahaizana manokana ao Sodàna, amin'ny filazàna fa samy hahita tombony amin'io ny firenena roa tonta.
Cameron Hudson, zokiolona mpikaroka ao amin'ny Filankevitry Atlantika ao amin'ny Ivontoerana Afrika, sady lehibe fahiny tao amin'ny kabinetran'ny iraka manokan'i Etazonia tao Sodàna, dia nanoratra lahatsoratra iray milaza fa tokony hiasa hanaisotra izay mety ho sakantsakana ny ao amin'ny kaongresy amerikàna .
David L. Phillips, zokiolona mpanolotsaina ary manampahaizana manokana momba ny raharaha ivelany ao amin'ny departemantam-panjakana amerikàna sady talen'ny fandaharanasa momba ny fandrafetana fandriampahalemana sy ny zo, ao amin'ny Ivontoerana Fianarana momba ny Zon'Olombelona ao amin'ny anjerimanontolon'i Kôlômbià, toerana niarahany nitantana ny tetikasa Sodàna Roa , dia vao haingana no namoaka lahatsoratra iray nanohanany ilay fifampiraharahàna. Nilaza izy fa hitondra tombontsoa ho an'ny toekarena amerikàna ny fanesorana an'i Sodàna tsy ho ao anatin'ilay lisitra satria Sodàna dia “ manankarena amin'ny solika ; hita ao ihany koa ny dity arabica izay otazana avy amin'ny hazo Acacia, ataon'ireo vehivavy mivondrona anaty kaoperativa ao Darfur . Ny fanitarana ny famokarana dity arabica, ampiasaina betsaka amin'ny fikarakarana sakafo sy vokatra fikarakaràna hatsaran-tarehy, dia mety ho màna ho an'ireo orinasa toy ny Coca-Cola, Chobani sy ny Estee Lauder, izay mila famatsiana azo antoka sy tsara kalitao amin'ny dity arabica.”
Tsy ela akory izay, naka ny media sôsialy ireo Sodaney ao Etazonia, nandefa hafatra ho an'ireo loholona manohitra ilay fifampiraharahàna , ary nitaky ny hanesorana an'i Sodàna tsy ho ao anatin'ny lisitra SST (Firenena manohana ny asa fampihorohoroana), ny sasany nitaky ny hampitsaharan'i Schumer sy Menendez ny famadihana ilay raharaha ho resaka pôlitika.
Mandritra izany fotoana izany, amin'izao fotoana izao i Sodàna dia miatrika olana goavana tsy mbola nisy toy izany, indrindra fa ny tangolika ( spirale ) ara-toekarena sy ireo tondradrano goavana. Tany ampiandohan'ny Septambra, nambaran'ny governemanta amperinasa ny fisian'ny hamehana ara-toekarena taorian'ny fitontonganana be teo amin'ny sandambola, niaraka tamin'ny fihenana tonga hatrany amin'ny 143.78 isanjato tamin'ny Jolay. Ireny toedraharaha henjana nolalovan'ny toekarena ireny dia mitovitovy amin'ny vanimpotoana farany niainan'ny fitondràn'i Al-Bashir ary tena loza mitatao ho an'ny vanimpotoana tetezamita manontolo.
Mivandravandra be fa tsy misy na iray aza tamin'ireny fepetra nametraka fahiny ho ara-drariny ny toerana misy an'i Sodàna ao anatin'ny lisitra SST ireny ka mbola mitoetra hatrany ho marim-pototra, ary ny fanesorana an'i Sodàna tsy ho ao anatin'ilay lisitra dia tena iankinan'ny aina ho an'ny fahamarinan-toeran'io firenena io sy ny firoboroboana amin'ny hoavy.
Demaokrasia teraka vao haingana sy mila ny fanohanana iraisampirenena no misy ao Sodàna amin'izao fotoana izao. Tena zavadehibe iankinan'ny aina hialàna amin'ny krizy ara-toekarena ankehitriny ny fanesoran'i Etazonia an'i Sodàna tsy ho ao anatin'ilay lisitra. Fanampin'izay, hanome tanjaka ilay governemanta tarihan'ny sivily koa izany, miaraka amin'ny, tsy isalasalàna, tombontsoa mandritra ny fotoana maharitra ho an'i Sodàna sy Etazonia. |
https://mg.globalvoices.org/2020/09/21/149807/ | Tatitra COVID-19 ataon'ny media frantsay: tsinontsinoaviny ireo manampahaizana manokana avy amin'ny vitsy an'isa | 2020-09-21T13:43:38 | Unknown | Ankizilahy iray manao arontava eny an-tratran-drainy. Saripika an'i Xavier Donat tao amin'ny Flickr, nampiasàna ny lisansa CC BY-NC-ND 2.5 .
Dimy ambinifolo taona lasa izay, nisy boky iray be mpividy indrindra nosoratan'ilay mpahay fiarahamonina, Eric Maurin, Le Ghetto Français , nanoritsoritra ireo dingana tomponandraikitra amin'ny fanavakavahana ara-tsôsialy sy jeôgrafika mampiavaka ny fiarahamonina frantsay .
Toa mamerina manao izany dingana izany koa ve ny fahitalavitra frantsay izao? Matetika ampangaina ho manao fanavakavahana an'ireo vitsy an'isa, indrindra fa amin'ireo Mainty Hoditra, ary tsy nanitsy tena ny fahitalavitra frantsay. Ohatra iray mazava amin'izany ny fandrakofana ataony ny valanaretina COVID-19.
Ny 12 Martsa, tonga tamin'ny faratampony ny fanarahana azy : 35 tapitrisa ny olona nijery ny filoha Emmanuel Macron nanazava ny hoe nandray fanapahankevitra izy hampihatra ny fihibohana manerana ny firenena mba hanakanana ny fiparitahan'ilay coronavirus vaovao.
Avy hatrany, ireo fantsom-pahitalavitra goavana dia nanomboka nikarakara adihevitra lavabe niarahana tamin'ireo mpitsabo, mpikaroka sy ireo manampahaizana manokana amin'ny fahasalamam-bahoaka avy amin'ireo hôpitaly, fianarana na labaoratoara malaza ao Frantsa, Soisa ary Etazonia. An-tapitrisa maro ireo olompirenena no nihazona ny fofonainy nandritra ny nampitan'ireny manampahaizana manokana ireny , saika isanandro vaky, ireo tarehimarika fototra mety hampitonitony ny tahotr'izy ireo sy mety hanavotra aina maro .
Na dia mitondra fahalalàna aza, dia zavamisy mampanaintaina sy mampalahelo no navoitran'ireny adihevitra isanandro ireny : androany, ao anatin'i Frantsa ipetrahana foko marokarazana, manana fihodirana mitovy daholo ireo olona miseho fahitalavitra satria izy ireny no heverina ho ny mahay indrindra afaka manazava ireo olana manerana izao tontolo izao ary manolotra vahaolana ho an'ireo olon'ny tany iray manontolo. Samy fotsy hoditra daholo izy ireny.
Fifandrifian-javatra, tao anatin'ny tatitra fanaony isantaona momba ny ady fanoherana ny fanavakavahana, ny fankahalàna Jiosy ary ny Fankahalàna vahiny [pdf], ny Filankevipirenena Fakàn-kevitra momba ny Zon'Olombelona (CNDH), dia nanolotra ireo tohevitra goavana avy aminy ho an'ity taona 2020 ity:
Torohevitry ny CNCDH ho an'ny Filankevitra Ambony momba ny haino aman-jery ( CSA ) ny handrisihana ny fanehoana ireo lehilahy sy vehivavy mainty hoditra, tafiditra amin'izany ny any anaty asa ilàna fahaizana manokana.
Io torohevitra io dia tsy manao afa-tsy manamafy ireo fiampangàna efa an-taona maro nataon'ireo lahatsoratra am-polony, ireo gazety sy ireo tranonkala anaty aterineto : ny zavamisy dia matetika loatra ireo fantsom-pahitalavitra frantsay no tsy mampiseho ireo olomalaza nivoaka avy amin'ny vitsy an'isa mitàna toerana fitarihana mahomby. Zavatra manandanja izany satria ananan'ny fahitalavitra ny hery handrafitra lasitra miabo, ary araka izany dia hahafahan'ny tanora avy amin'ny fiaviana rehetra hanana fahatokiana amin'ny fahaizamanao ananany.
Manandrana manitsy ny fanabantiana efa an-jato taona natao tamin'ireo vitsy an'isa
Tonga saina i Frantsa, hery mpanjanaka fahiny, hoe tsy maintsy manao asa tsara amin'ny fampisondrotana sy fampiatiana ireo vitsy an'isa.
Tamin'ny 2013, nisy fanadihadiana iray notontosain'i Catherine Ghosn nampitahàny ny fanehoana ireo vitsy an'isa teny anaty fahitalavitra amerikàna, belza, britanika, kanadiàna ary frantsay . Voamarik'io mpikaroka momba ny Siansan'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana io fa ireo politika frantsay amin'io sehatra io dia tsy mahomby sy tsy misy fiantraikany raha oharina amin'ny an'ireo firenena hafa nanaovana ilay fandalinana .
Tamin'ny 2007, ilay mpikaroka, Catherine Humblot, dia nahatsikaritra fa na nahavita ezaka aza i Frantsa tamin'ny fanehoana ireo vitsy an'isa tao aminy, mbola lavitra ny làlana hodiaviny. Manazava izy, ohatra, fa vao tamin'ny 2006 no nisy fantsom-pahitalavitra frantsay iray goavana nandray fanapahankevitra sahisahy ny hampiseho ilay mainty hoditra mpanao gazety, Harry Roselmack, mandritra ireo ora be mpanaraka indrindra – ary io dia vonjimaika ihany. Raha ampitahaina, tamin'io taona io ihany, araka ny nambaran'ilay Holandey mpanao gazety, Stefan de Vries , nitsahatra handeha hisotro ronono ilay vahivavy mainty hoditra voalohany indindra nitàna toerana mpanolotra vaovao tao amin'ny fahitalavitra holandey.
Izay hita ihany no azo inoana
Tamin'ny faran'iny taona lasa iny, Judy Woodruff, mpanentana ny fandaharana PBS Newshour, mandeha ao Etazonia, dia nanolotra [angl] tovovavy afro-amerikàna iray, i Elizabeth Wayne, injeniera momba ny biomédicale , tamin'ireto teny manaraka ireto :
More than half the children in American schools are students of color, but their teachers are overwhelmingly white. [Tonight] we hear from an African-American biomedical engineer on why it is so important to see ourselves in front of the classroom.
Maherin'ny antsasak'ireo ankizy any amin'ireo sekoly amerikàna no tsy fotsy hoditra, saingy amin'ny ankamaroany dia fotsy hoditra ny mpampianatra an-dry zareo. [Izao alina izao] vehivavy afro-amerikàna iray amin'ny sehatra biomédicale no manazava amintsika ny antony maha-zavadehibe ny fijoroan'ny tena manoloana ny efitrano fianarana.
Hazavain'i Elizabeth Wayne, taorian'ny niainany toejavatra nahamarika azy nandritra ny fianarany teny amin'ny ambaratonga ambony, rehefa nanatrika kaonferansa iray izy ka nisy vehivavy iray mainty hoditra nandray anjara fitenenana tao :
I had never realized that I had never had someone who looked like me, teaching me. … I have always thought that seeing is believing …
Tsy tonga saina mihitsy aho hoe tsy nanana olona velively mitovy amiko, nampianatra ahy….hatrizay dia nihevitra foana aho fa izay hita ihany no azo inoana …
Taorian'izay ny zavatra hitan'i Elizabeth Wayne dia navoaka sy noresahana tanaty lahatsoratra nihoatra ny 700 isa. Ambarany fa ny sasantsasany tamin'ireo imailaka voarainy avy tamin'ny olona dia nivaky taminy fa : « Tsy mbola nahita velively aho vehivavy mainty hoditra azo sary nitafy akanjo fotsy (blouse) fitondra anaty labaoratoara noho izy nandray anjara tamin'ny fahitàna zava-manandanja. »
Mety hoe amin'ny endriny hafa mihitsy ve ny olan'i Frantsa ? Sa mety hoe zara raha misy ireo manampahaizana manokana amin'ny sehatry ny fisaboana no avy amin'ireo vitsy an'isa ao Frantsa ? Tsy voatery ho izay . Tamin'ny 2007, ny gazety mpiseho isanandro ao Frantsa Libération dia nitanisa tomponandraikitra iray ao amin'ny Firenena Mikambana, Habib Ouane, nihoraka hoe : « Betsaka ny Beninoà mpitsabo, raha tsy hilaza afa-tsy ny ao Ile-de-France monja, raha oharina amin'ny any Benin manontolo! »
Ary tamin'ny Aprily lasa teo ilay mpanao gazety, Majed Nehme, dia nanoratra hoe [angl] :
French health care system is increasingly benefiting from the massive influx of sub-Saharan African health professionals coming especially from Senegal, Mali, Benin, Burkina Faso, Congo and all French-speaking countries.
Araraotin'ny rafi-pitsaboana ao Frantsa ny fitobahana ben'ireo matianin'ny fahasalamàna avy any Afrika Atsimon'i Saharà, indrindra fa avy any Senegaly, Mali, Benin, Burkina Faso, Kôngô ary ireo firenena mampiasa sy miteny ny fiteny frantsay.
Mety misy antony mampalahelo manazava ny mahatonga ireo vitsy an'isa, indrindra fa ny mainty hoditra, ho tsy apetraka afa-tsy amina andraikitra iray voafaritra sy misy fitsaràna an-tendro efa miraikitra aminy ao amin'ny fahitalavitra frantsay. Mazava loatra, tena ilaina ireo lasitra lehibe avy amin'ireo vitsy an'isa any anatin'ireo fampialana voly, ary mazàna no mitolagaga amin'izy ireny ireo tanora avy amin'ny vitsy an'isa, amin'ny fahafantarany hoe indray andro any mba mety ho mpandray ny loka Oscar izy ireny na ho lasa atleta olaimpika manana ny lazany. Saingy mba manao ahoana ny amin'ireo tanora siantifika mahavelom-panantenana nivoaka avy amin'ireo vitsy an'isa, izay mety ho afaka hanampy hitady ny fanafody manaraka eo ?
Ireo mpilaza vaovao, indrindra fa ny fahitalavitra, dia mitàna anjara toerana lehibe amin'ny fomba fijerin'ny olona. Afaka manampy amin'ny famoronana lasitra miabo ho an'ireo ankizy avy amin'ny vitsy an'isa ny fahitalavitra, amin'ny fanampiana azy ireny handeha lavidavitra kokoa noho izay tsy ninoany velively.
Samy efa nandre isika ny tantaran'ilay « voromahery niaina ho toy ny akoho » [anlg] : rehefa nilatsaka avy eny amin'ny akàny nisy azy, dia nitontona tao anaty toerana fiompiana akoho ny voromahery iray, vetivety be izy dia voaray sy voataizan'ireo zanaka akoho tao. Nitombo izy ary nihevitra hatrany fa akoho. Indray andro izy dia nifanena tamina voromahery iray be taona noho izy, ary io no nampianatra azy nanidina sy nanampy azy hampivoatra ny tena maha-izy azy .
Ny politikan'ny fanavakavahana mitohy sy tsy mitsahatra ao amin'ny sehatry ny fahitalavitra frantsay dia hanakana, tsy hoe fotsiny ny fisondrotan'ireo lasitra miabo ho an'ireo vitsy an'isa, fa mety koa vao mainka hampitombo ireo fihenjanana sôsialy, amin'ny fampitambarana ireo ‘ghettos’ fahiny. |
https://mg.globalvoices.org/2020/09/05/149614/ | Mbola tsy hita i Abubakar Idris Dadiyata avy any Nizeria, herintaona taorian'ny fakana an-keriny azy | 2020-09-05T06:47:28 | Unknown | Abubakar Idris Dadiyata, sary nahazoana alalana avy amin'ny The SignalNg.
Nalaina an-keriny tao an-tranony ny 1 Aogositra 2019, tao amin'ny faritr'i Barnawa akaikin'i Kaduna, avaratra andrefan'i Nizeria i Abubakar Idris Dadiyata, mpampianatra sady mpitsikera mahery vaika ny governemanta Nizeriana.
Tsy mbola hita i Dadiyata herintaona taorian'ny fakana an-keriny azy.
Abubakar Idris (Didiyata) was abducted from his home in Kaduna state, Nigeria. His whereabouts still not known. His family and friends are demanding answer to the question: where is @dadiyata ? Abubakar is a victim of enforced disappearance. #DayoftheDisappeared #FreeDadiyata . pic.twitter.com/3DtPxMVK3C
— Amnesty Int. Nigeria (@AmnestyNigeria) August 30, 2019
Nalaina an-keriny tao an-tranony tao amin'ny fanjakan'i Kaduna, Nizeria i Abubakar Idris (Didiyata). Mbola tsy fantatra ny toerana misy azy. Ny fianakaviany sy ny namany dia mitaky valiny amin'ilay fanontaniana hoe: aiza i @dadiyata ? Niharan'ny fanjavonana an-tery i Abubakar.
Nampianatra tao amin'ny Oniversite Federaly Dutsinma, Fanjakana Katsina i Dadiyata. Amin'ny maha-mpikambana azy ao amin'ny antoko mpanohitra Antoko Demokratikam-bahoaka dia matetika no nifanolana tamin'ny antokon'ny mpitondra tao amin'ny tambajotra sosialy i Dadiyata.
‘Samy variana amin'ny tsy fanaovana na inona na inona ny fanjakana sy ny masoivoho federaly’
Nalain'ny mpaka an-keriny tokony ho tamin'ny 1 ora maraina teo i Dadiyata raha teo am-pahatongavana tao an-tranony izy, herintaona lasa izay ny 1 Aogositra 2019, hoy ny tatitra nataon'ny Premium Times.
Tadidin'i Kadija, vadin'i Dadiyata ny antsafa nifanaovana tamin'ny BBC fa “niantso an-telefaonina ny vadiny sady mbola nandeha ny fiarany,” rehefa nosamborin'ireo mpaka an-keriny izy. Na dia tsy naheno izay “nitranga taorian'ny antso na ny olona niresahany” aza i Kadija dia tsaroany fa “narahan'ireo mpaka an-keriny azy ny vadiny, ary niditra tao an-trano mihitsy aza izy ireo.” Nitazana avy tao an'efitranony ny vadin'i Dadiyata rehefa nentin'izy ireo izy.
Mampalahelo anefa fa mbola tsy misy ny vaovao momba ny toerana misy an'i Dadiyata. “Mampahonena izany,” hoy i Kadija tamin'ny BBC , satria manontany foana momba ny rainy tsy hita ireo zanany.
Manadio ny tenany amin'ny endrika fahamelohana na fanomezan-tsiny rehetra tamin'ny fanjavonany ny sampam-piarovana Nizeriana fa tsy nanao izay hitadiavana an'i Dadiyata.
Nandà ny departemantam-panjakana misahana ny fiarovam-pirenena (DSS) any Nizeria tamin'ny volana Janoary fa tsy any amin'izy ireo i Dadiyata. Nilaza ny sampam-piarovam-panjakana fa raha “ nalain'ny lehilahy mitam-piadiana tao an-tranony i Dadiyata dia tsy midika izany fa mpiasan'ny DSS ireo lehilahy ireo.”
Toy izany koa i Aisha Dikko, lehiben'ny fampanoavana ao amin'ny fanjakan'i Kaduna, nandà ho tsy mahafantatra ny “toerana misy” azy sady nandà fa tsy niray tsikombakomba mihitsy tamin'ny fakana an-keriny an'i Dadiyata. “Mifanohitra amin'izany anefa ny fanambaràna manameloka izay mitady hanitatra ny zava-misy fa nalaina ankeriny tao amin'ny fanjakan'i Kaduna izy ka hoe midika izany fa nandray anjara tamin'izany ny fanjakana,” hoy i Dikko.
Saingy, sady tsy nampitony ny fitaintainan'ny vadin'i Dadiyata sy ny zanany roa no tsy namerina ny fahafahany ihany koa izany ireo fandavana nataon'ny DSS sy ny Governemantam-panjakana Kaduna ireo.
Mbola nanakoako tao amin'ny Twitter ny tenirohy [Herintaona Tsy nisy an'i Dadiyata] raha nitaky ny famotsorana an'i Dadiyata ny Nizeriana.
Nitaraina momba ny “fikorontanan-tsaina” naterak'ity “karazana tsimatimanota” ity tao amin'ny fianakavian'i Dadiyata i Bulama Bukarti:
It’s unfathomable how a Nigerian would disappear just like that. We must continue to do everything we can to get Dadiyata reunited with his family. There must be no place for this kind of impunity. Those that abducted Dadiyata will pay the price. If not now, definitely later.
— Bulama Bukarti (@bulamabukarti) August 1, 2020
Tsy takatry ny saina ny fomba nanjavonan'ity Nizeriana ity toy izany. Tsy maintsy manohy manao izay azontsika atao isika mba hiverenan'i Dadiyata amin'ny fianakaviany indray. Tsy tokony hisy toerana hanaovana an'ity karazana tsimatimanota ity. Hizaka ny vokany ireo izay naka an-keriny an'i Dadiyata. Aoriana ao raha tsy izao.
“Tohina” ity mpisera Twitter ity raha nahare ny antsafa nataon'ny vadin'i Dadiyata:
I was shattered to hear Dadiyata’s wife speak to @bbchausa , this morning. All she is demanding is for his holders to forgive him and let him come back to his family; especially his little children. #OneYearWithOutDadiyata
— Anders (@Ameenu_Kutama) August 1, 2020
Tohina aho nandre ny vadin'i Dadiyata niresaka tamin'ny @bbchausa , androany maraina. Ny famelan-keloka avy amin'ny mpaka an-keriny azy ny hany takiany sy ny hamelan'izy ireo ny hiverenany any amin'ny fianakaviany; indrindra ny zanany kely.
Tsy takatr'i Akin Akíntáyọ̀ ny fomba nanjavonan'i Dadiyata “tsy nisy soritra nandritra ny herintaona:”
One question, how can Dadiyata and his car disappear without trace for a year in Nigeria and the government be just so nonchalant about it, seeking exculpation rather than taking full responsibility for finding him, especially when they were a target of his criticism? https://t.co/pIvl5q6vgt
— Akin Akíntáyọ̀ ?️? #European (@forakin) September 1, 2020
Fanontaniana iray, nahoana no very tsy misy soritra mandritra ny herintaona tany Nizeria i Dadiyata sy ny fiarany kanefa tsy miraika akory ny amin'izany ny governemanta fa mitady fanadiovan-tena ary tsy mandray andraikitra feno amin'ny fitadiavana azy, indrindra fa izy ireo no lasibatry ny tsikerany ?
Indrisy anefa fa toa tsy misy miraharaha ny fitadiavana ilay mpitsikera.
“Samy seriny amin'ny fialana amin'ny fanomezan-tsiny ny fanjakana sy ny sampan-draharaha federaly” ary “tsy manao na inona na inona” hoy ilay mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, Profesora Chidi Odinkalu, tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Vyral Africa:
Besides saying that they don’t know where he is. Nobody has really made the effort to tell us what they have done to find him and how it is that they can’t account for him. It tells you how so little we matter as citizens. The least we can do is ask where Dadiyata is and why can’t our government find him.
Ankoatra ny filazana fa tsy fantatr'izy ireo hoe aiza izy dia tsy nisy olona nanao ezaka hilazana amintsika ny zavatra nataon'izy ireo mba hahitana azy ary nahoana no tsy ahitan'izy ireo azy. Milaza aminao izany fa tsy misy dikany firy isika amin'ny maha olom-pirenena antsika. Ny manontany hoe aiza i Dadiyata ny kely indrindra azontsika atao ary maninona ny governemanta no tsy mahita azy. |
https://mg.globalvoices.org/2020/09/19/149786/ | Kenya : Keniàna mihetsika mitaky ny fandraràna ilay fanafody Furadan famonoana bibikely le pesticide Furadan | 2020-09-19T16:05:10 | Unknown | Zanaka liona voapoizina tao Masai Mara
(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka voalohany tamin'ny Jona 2009) Nahavita nametraka teboka tao anatin'ny fanentanany ho fandraràna tanteraka ny Furadan ireo mpiaro tontolo iainana ao Kenya. Ny Furadan dia fanafody famonoana bibikely mampiasa ny singa ‘ carbofuran ‘ izay nahapoizina liona niisa 76, ary ankehitriny dia notsoahana tsy ho hita eny amin'ireo tsena ao amin'io firenena io.
Nanomboka teo dia namaly ny antso ho fandraràna tanteraka an'io poizina io teo anoloan'ny antenimiera ny solombavambahoaka ao amin'ny faripiadidian'i Naivasha, John Mututho. Ny 2 Jona 2009, navoakan'ny bilaogy Baraza [ amin'ny fiteny anglisy toy ireo rohy rehetra ato anaty lahatsoratra] ireo ampahan-gazety navadiny ho amin'ny endrika nomerika, nisy ireo lahatsoratra nitantara hoe notakian'ny solombavambahoaka John Mututho tamin'ny Minisitry ny Ala sy ny Tontolo Iainana ny handraràna tanteraka io fanafody io, niaraka tamin'ny fanohanana feno avy amin'ireo parlemantera hafa.
Tao anatin'ireo gazety androany, nisy lahatsoratra roa mikasika ireo liona voapoizina tao Masai Mara. T he Standard milaza hoe ny Minisitry ny Ala sy ny Tontolo Iainana, Dr Noah Wekesa, dia niteny fa maty ireo liona tao Masai Mara ary ny Furadan no nanapoizina azy ireo. Fa na izany aza dia nilazàny i John Mututho mba handefa ny fangatahana fandraràna ataony ho an'ny Minisitry ny Fambolena sy ny masoivoho misahana ny fanarahana maso ireo fanafody famonoana bibikely.
Ao anatin'ilay lahatsoratra iray hafa, an'ny Daily Nation , ny sampandraharaha misahana ny tontolo iainana ao Kenya (KWS), izay mpiahy ny biby ao Kenya, dia miampanga ireo tantsaha ho nanapoizina ireo liona, ireo alikadia sy ireo biby 35 mpihinana fatin-javatra tao Masai Mara. Nolazain'ny KWS fa nahitan'izy ireo soritra fanafody miloko mavokely teny amin'ny vatan'ireo fatim-biby natao jono ho an'ireny biby mpihinana hena sy fatin-biby ireny.
Na ny minisitra aza dia niaiky hoe ny Furadan no nanapoizina ireo liona marobe tao amin'ilay firenena izay tsy misy liona afa-tsy 2.100 sisa (raha 30.000 izany am-polon-taona vitsy lasa izay), ary nandefa ilay antso ho fandraràna an'ilay fanafody tany amin'ny minisitry ny fambolena sy ny masoivohom-panjakàna mpanaramaso ny fanafody famonoana bibikely ao Kenya.
Efa nanomboka tany amin'ny anelanelan'ny andian-taona 90 ireo fikambanana mpiady ho fiarovana ny zavaboary ao Kenya no nitolona, fony voamarika ny fisian'ny fahapoizinana marobe nanjo ireo ganaganadia tany amin'ny faritra misy ireo tanimbary ampidiran-drano ao Mwea, faritany atsinanana. Saingy nanomboka tamin'ny nandefasana tsy ela akory ilay fanadihadiana an'ny fantsom-pahitalavitra amerikàna CBS momba ireo liona voapoizina no nivadika ho olana pôlitika io olana io ho an'ny governemanta keniàna. Ttamin'ny 2008, nataon'ny solombavambahoaka John Mututho nisava làlana an'io fampahatsiarovantena io ny fitakiana ny fandraràna ilay fanafody, taorian'ny fahapoizinana nanjo ireo liona tao Masai Mara.
FMC Corporation , mpamokatra ny Furadan, izay any Philadelphie any Etazonia no foibeny, dia nanambara ny fisintonana avy hatrany ilay vokatra simika tsy ho azo amidy ao Kenya, Ogandà, Tanzania, ora vitsy monja taorian'ny nandefasan'ny fantsona CBS ny fanadihadiany tao anatin'ilay fandaharana 60 Minutes tao Etazonia, saingy mbola misy hatrany ireo liona sy bibidia hafa maty vokatry ny Furadan. Misintona lakolosy fanairana i Martin Odino, Keniàna iray mpikaroka miasa ao amin'ny Tranombakoka Nasiônaly ao Kenya, ao amin'ny bilaoginy Stop Wildlife Poisoning (Atsaharo ny fanapoizinana ny fiainana an'ala) momba ireo vorona voapoizina, izay avy eo mety hisy hivarotra ho toy ny haza.
Volana iray taorian'ny nisintonan'ny FMC, mpamokatra azy, ireo fanafody Furadan, nanamarika ny bilaogy Baraza fa nisy zanaka liona vao valo volana voapozina rehefa avy nihinana fatina ombivavy voapoizin'ny fanafody famonoana bibikely heverina ho ny Furadan. Marobe ireo alikadia ary 40 ireo biby hafa mpihinana fatin-javatra no voapoizion'io fatina ombivavy io ihany koa. Io zanaka liona io dia avy amina fianakaviana liona nisy liona efatra – izay tsy fantatra ny niafaran'izy ireo.
Ny fisian'ireny trangana fanapoizinana ireny dia vao mainka nampitombo ny fahavitrihan'ireo mpikatroka amin'ny fanentanan-dry zareo ho amin'ilay fandraràna. Ny 9 Jona 2009, nifamory tao amin'ny biraon'ny WildlifeDirect tao Nairobi ry zareo ary nandritra io fivoriana io, nabaribarin-dry zareo ny toedraharaha sarotra iainan'ireo vorona. Raha fantatra ankehitriny ny fahapoizinana nahazo ireo liona, ny an'ireo vorona kosa mbola mampivarahontsana lavitra noho izany. Tatitra iray avy amin'ny KWS no milaza fa mahafeno kamiao ny isan'ireo vorona maty amin'izao fotoana izao. Avy hatrany ny WildlifeDirect, izay nikarakara io fihaonana io, dia namoaka fampitam-baovao tao amin'ny bilaogy Baraza .
Azon'ireo mpamaky azy atao ny manolotra fanohanana / fanomezana ao amin'ny Bilaogy Baraza . |
https://mg.globalvoices.org/2020/09/17/148915/ | Fitroarana Sodana: sit-in ao Nertati, ny onja vaovao | 2020-09-17T06:10:47 | Unknown | Mpanao fihetsiketsehana an'aivony manao sit-in ao Nertati, Darfur Afovoany, Sodàna, hanao fitakiana hisian'ny filaminana sy ny fandriampahalemana ao amin'ny faritra, 3 Jolay 2020. Pikantsary avy amin'ny tatitra nataon'ny Sudan YouTube .
Raha mbola manohy amin'ny fiadiana amin'ny areti-mandringana coronavirus izao tontolo izao, dia mitroatra kosa ny olom-pirenena ao amin'ny faritra Nertati ao Darfur afovoany, Sodàna, mitaky filaminana sy fandriampahalemana.
Tamin'ny 28 jona, nivory nanao sit-in ny olom-pirenena izay mbola mitohy mandraka androany mitaky zava-dehibe maro: famaranana hatreo ny fanafihan'ny milisy ny sivily, fanesorana ny fitaovam-piadiana, fisamborana ireo nahavanon-doza ary fiarovana ara-pambolena mandritra ny fotoam-piotazana [fijinjana].
Tokotokony ho 3000 eo ho eo no nivory teo anoloan'ny tobin-tafika tao Nertati, ary misy ny fanohanana izany avy amin'ny tanàna sy tanànakely manodidina. Niara-dia ny komitim-pifaharana avy amin'ny tanànan'i Nyala, atsimon'i Darfur, ho any Nertati hanohana ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny sit-in.
Hatramin'ny taona 2003 farafahakeliny, malaza noho ny ady sy ny fifanandrinana mitam-piadiana ny faritra, miaritra tsi-filaminana nandritra ny taona maro teo amin'ny vondrona mpioko sy ny vondrona mitam-piadiana arabo tohanan'ny governemanta Janjaweed izay notohanan'i Omar al-Bashir nitondra tamin'izany fotoana izany. Namoizana olona mihoatra ny 300.000 ny ady tao Darfur ary nampisy fifindramonin'olona 2,7 tapitrisa farafahakeliny, ao amin'izay fariparitan'ny vondrona mandala ny zon'olombelona ho genocide na fandripaham-bahoaka.
Rehefa nidaboka tafala tamin'ny fahefana i Bashir tamin'ny avrily 2019 taorian'ny andiana fitroarana revolisionera sy fihetsiketseham-panoherana izay nitarika ny fialany, dia napetraka ny fahefana governemanta niarahan'ny miaramila sy sivily. Niahotrahotra ny kinasan-dry zareo hifampiresaka momba ny fandriampahalemana ao Darfur , ary mandraka androany, mitohy ny tsi-fandriampahalemana ao amin'ny faritra amin'ireo herisetra ifanaovan'ny fiarahamonina sy ny foko samy hafa eo amin'ny vondrona Arabo sy tsy-Arabo .
Nahazo akony teo amin'ny vahoaka sy ny manampahefana ny sit-in, raha nanangana ny farangon-teny #كلنا_نيرتتي, izay midika hoe “Nertati avokoa izahay rehetra” ny mpikatroka sodaney.
Nisioka ny mpiserasera Alaa Alhadari:
لن تنتهي الثورة الا بتحقيق جميع مطالبها مومب نيالا يصل الي نيرتتي لدعم الاعتصام وتحقيق جميع المطالب #السلام_اولاً #اعتصام_نيرتتـي pic.twitter.com/wLMn31V7Ok
— آلاء? (@Alaa__Alhadari) July 3, 2020
Tsy ho tapitra ny revolisiona, mandra-pivalin'ny fitakiana rehetra. Tonga ao Nertati ny diabe avy any Nyala hanohana ny sit-in ary hamaly ny fitakiana rehetra.
Isa-taona ny vahoakan'i Nertati miaritra ny fandrahonan'ny fandrobàna mitam-piadiana amin'ny voka-pambolena sy ny famonoan'ny milisy ny sivily. Miaritra herisetra ifanaovana fiarahamonina samy hafa ihany koa ny vahoaka noho ny fielezan'ny fitaovam-piadiana ao Darfur, na dia eo aza ny ezaka avy amin'ny governemanta hanaisotra ny fitaovam-piadiana eny ampela-tanan'ny sivily.
Tamin'ny Oktobra 2019, zazavavy mbola tsy ampy taona miisa roa no nanaovan'ny lehilahy mitam-piadiana maro an-keriny (fanolanana) teo akaikin'i Nertati.
Tamin'ny Janoary 2017, namono olona 10 ny milisy Janjaweed ary nandratra olona farafahakeliny 60 tamin'ny fanafihana famaizana noho ny fahafatesan'ny mpikambana ao amin'ny milisy iray tao Nertati.
Ohatra fotsiny amin'ireo mahatonga ny olom-pirenena ao amin'ny faritra Nertati hanapa-kevitra hanatontosa sit-in ireo.
Mpiserasera Sodaney maro no nanampy rakotra tamin'ny Facebook amin'ny sarontavan-dry zareo haneho fanohanana ny sit-in.
Namoaka fanambaràna nivoaka tamin'ny Twitter ny Sudanese Professionals Association (SPA) nilaza ny fanohanany feno ny sit-in sy ny zavatra takiany. Nofariparitan'ny SPA ny sit-in ao Nertati ho “riandrano vaovao izay mitondraka any amin'ny lalam-piadian'ny vahoaka sodaney.” Miteny amin'ny fahefana voaporofo ny fihetsiketseham-panoherana milamina hahazo ny zon'olombelona sy hiresaka amin'ny filàna hampitsahatra haingana ny ady sy hamaranana ny politika fanaovana ankilabao, hamaranana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny korontan'ny fivarotana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna.
Zarain'ny mpiserasera ny sarin'ny mpanao fihetsiketsehana mihazona sora-baventy manohitra ny fielezan'ny fitaovam-piadiana ao Darfur:
#اعتصام_نيرتتـي No justice no peace ✌?? pic.twitter.com/OfK055YJZN
— يا خرطوم جوطي جوطي ??✨ Y.V (@LastVeteranH) July 2, 2020
Tsy misy rariny rehefa tsy misy fandriampahelamana
Nandritra ny herinandro, sary maro no nivezivezy tamin'ny Twitter ahitana vahoaka maro nivory sady mazava ny fitakiana:
More than 3,000 citizens enter their fourth day as they sit in Nerti Central Darfur, and in front of the army garrison demanding an end to the continuous violations achieving peace, the return of the displaced, and retribution for the martyrs. #كلنا_نيرتتي pic.twitter.com/ucMnhSSRRh
— H A M Z A-ود عــائــشــۃ (@osman_hmza) July 1, 2020
Olom-pirenena mihoatra ny 3000 no miditra amin'ny andro fahaefatra ipetrahany eo Nerti ao Darfur Afovoany, ary eo anoloan'ny tobin-tafika mitaky ny hampitsaharana ny fanitsakitsahana mamono ny fandriampahalemana, mitaky ny iverenan'ny nafindra toerana, ary ny fanasaziana [noho] ireo maritiora.
Nahazo fanohanana avy amin'ny maro amin'ireo manampahefana ambony ao amin'ny governemanta ny sit-in, toa ny praiminisitr'i Sodàna Dr. Abdalla Hamdok, izay nanoratra tao amin'ny Twitter:
مطالب أهلنا في نيرتتي بولاية وسط دارفور هي مطالب عادلة ومستحقة، لقد وجهت وفداً حكومياً بزيارة ولقاء المعتصمين للعمل على تحقيق مطالبهم لضمان أمن وإستقرار المنطقة، ننحني تقديراً وإحتراماً للشكل الحضاري للإعتصام والتعبير السلمي المستمر، حفظ الله السودان وشعب السودان. #اعتصام_نيرتتـي
— Abdalla Hamdok (@SudanPMHamdok) July 3, 2020
Marina sy mendrika hovaliana ny fitakian'ny vahoakantsika ao Nertati, ao amin'ny fanjakana Darfur Afovoany. Nandefa delegasionan'ny governemanta aho hitsidika sy hihaona amin'ny mpanao fihetsiketsehana hiasa hamitana ny fitakiany hiantohana ny filaminana sy ny fahamarinan-toerana ao amin'ny faritra. Miondrika izahay mankasitraka sy manaja ny endrika sivilize ilay sit-in sy ny fitohizan'ny endrika mitaky fandriampahalemana, Andriamanitra anie hiaro an'i Sodàna sy ny vahoakan'i Sodàna.
Hatramin'ny taona 2019, niasa mafy ny governemanta tetezamitan'i Sodàna hampisy fandriampahalemana sy hampiharihary ny rariny ara-piarahamonina. Hirika ho azy ireo izao hanaporofoana ny fahamatorany amin'ny fanatrarana ireo tanjona ireo.
Talohan'ny revolisiona sodàney, tsy navela hiresaka tsikera ny governemanta ny olompirenena […]. Ankehitriny ny sit-in ao Nertati no marika Sodàna vaovao sy mamirapiratra izay nahafahan'ny olompirenena hanan-jò malalaka haneho ny ahiahiny sy hiantsoantso hitady ny rariny. |
https://mg.globalvoices.org/2020/09/02/149549/ | Farafahakeliny vehivavy mozambikana mpianatra polisy 15 no bevohokan'ny mpampianatra azy ireo, araka ny dosie ao anatiny | 2020-09-02T03:59:33 | Unknown | Mankany amin'ny pejy miteny paortiogey ny rohy rehetra amin'ity lahatsoratra ity.
Nivoaka tao amin'ny gazetim-pirenena ny dosie notazonina ho tsiambaratelo avy amin'ny polisy mozambikana, milaza fa vehivavy mpianatra 15 ao amin'ny sekoly fanofanana polisy ao Matalana, faritanin'i Maputo, no bevohoka.
Tondroin'ny antontan-kevitra fa avy amin'ny fifandraisan'ny mpianatra sy ny mpampianatra azy, tsy voalaza na nifanekena na tsia, no nahatonga ireo vohoka ireo.
Etsy ankilan'izany, voalaza fa naaton'ny sekoly fanofanana polisy vonjimaika ireo mpianatra bevohoka ireo ary ny polisy no niantoka ny sarandalana iverenan'izy ireny any amin'ny faritany niaviany avy. Farany, mandroso koa ity antontan-kevitra ity fa “naato” ireo mpampianatra voarohirohy.
Tamin'ny famaliana ny fanontanian'ny gazety O País tamin'ity raharaha ity tamin'ny 8 aogositra, nanambara ny komandy-jeneralin'ny polisy, Bernardino Rafael, fa efa ao anatin'ny rakipaika fanasaziana ireo olona voarohirohy.
Tsy ela dia nisongadina tao amin'ny tambajotra sosialy ny fanehoan-kevitra tsy mankasitraka momba ity raharaha ity. Maro ireo mpiserasera no naneho ampahibemaso ny fahasosorany manoloana ny fanapahan-kevitry ny sekoly, ary nitaky rariny ho an'ireo vehivavy.
Naneho hevitra tao amin'ny pejiny Facebook ny mpikatroka Fátima Mimbire :
Tratem o assunto Matalane com a devida seriedade. Estou de coração partido com esta notícia de 15 instruendas grávidas no Centro de Treinos de Matalane. Isso é grave. É grave porque, como o próprio documento refere, envolve os instrutores.
Ora, uma pessoa que detém autoridade sobre outra a engravida e o fim é um “processinho”? Isso me lembra o professor que exige sexo às alunas em troca de notas ou para não serem humilhada na sala de aulas por serem, na visão do professor, “burras”, no lugar de ser processado é transferido para ir dar aulas em outro lugar. E lá, continua as suas façanhas.
Karakarao matotra araka ny tokony ho izy ity raharaha [sekoly fanonanana polisy ao] Matalana ity. Mahavaky ny foko ny mandre fa vehivavy mpianatra miisa 15 ao amin'ny seskoly fanofanana polisy ao Matalana no bevohoka. Henjana izany. Henjana satria, araka izay nosoritan'ny antonta-kevitra ihany, mpampianatra vitsivitsy no voarohirohy.
Izany hoe raha misy olona manana fahefana manoloana ny iray hafa nahatonga vohoka, dia amin'ny farany asiana “rakipaika kely”? Mampahatsiahy ahy mpampianatra iray mitady firaisana ara-nofo amin'ny mpianany raha te-hahazo naoty tsara na ialana amin'ny fanalam-baraka noho ny “fahadalany”, araka ny fijein'ilay mpampianatra ambony, ity toe-javatra ity. Rahatokony entina eny amin'ny fitsarana dia afindra toeram-pampianarana hafa fotsiny. Dia mitohy any indray ny talentany.
Nanameloka ity raharaha ity tao amin'ny Twitter ihany koa ny Txeka, vondrona vehivavy mpikatroka :
“Caso de Matalane”
A edificação de uma sociedade de justiça social, na defesa de igualdade de direitos os cidadãos, passa por uma politica de educação e formação equilibrada, valorizando a formação dos cidadãos, com preparação científica e educação moral, cívica e patriótica. pic.twitter.com/fiMoyq3DOW
— Txeka (@TxekaMoz) August 10, 2020
“Raharaha Matalane”
Manangana fiarahamonina anjakan'ny rariny, ao anatin'ny fitovian'ny zon'olompirenena, mandalo amin'ny alalan'ny politikan'ny fanabeazana sy fampiofanana voalanjalanja izany, izay manome lanja ny famolavolana ny olompirenena, miaraka amin'ny fikarakarana siantifika sy fanabeazana mahaolompirenena tia tanindrazana vanona.
[sary] mpikatroky ny Txeka maka sary amin'ny endrika hentitra, mitazona afisy mivaky hoe : “Fifandraisana tsy mitovy tantana fa anjakan'ny fahefana ny fifandraisan'ny mpampianatra sy ny mpianatra ! #affairematalane”
A culpabilização da violência contra a mulher é uma prática comum nas sociedades machistas/patriarcais, conhecidas pela desvalorização da mulher e submissão às vontades do homem, causando julgamentos acerca da conduta da vítima, atenuando a conduta do agressor. pic.twitter.com/OGbrfeOUVa
— Txeka (@TxekaMoz) August 11, 2020
Raharaha Matalane
Fanao mahazatra amin'ny fiarahamonina anjakazakan-dehilahy, izay fantatra amin'ny fanazimbana ny vehivavy sy ny fankatoavana ny sitrapon'ny lehilahy ny fiampangana ny lasibatry ny herisetra ara-nofo, ka mahatonga fitsarana ny fihetsiky ny lasibatra, sy fampihenana ny [andraikitry ny] mpanafika amin'ny fihetsiny.
[images] Ankavia, mpikatroky ny vondrona Txeka mitazona afisy sora-tanana manao hoe : “Tsy saziana mihitsy ny mpampianatra manoloana ny vehivavy ampianariny.” ; “MItohy ny fiarovana ny mpanafika sy ny fanamelohana ny lasibatra !”. Ankavanana, lohateny lehibe amin'ny gazety : “Kamo ry zavavy dia tadiaviny omena devoara mora ry zareo.” (tenin'ny filohan'ny fikambanan'ny manamboninahitra polisy)
Manoratra ao amin'ny Facebook ny profesora Carlos Serra :
Matalane? Apenas a ponta do Iceberg, somos formatados para reproduzir Matalane. Imagino o dia em que elas começarem a narrar as suas histórias, começando pela mais tenra infância.
Matalane ? Tendro kely hita amin'ny goavana be miafina ao ambaniny io, novolavolaina hamokatra hatrany [izay nitranga tao] Matalane isika. Alaiko sary an-tsaina ny andro hitantaran-dry zavavy ny tantarany, manomboka hatrany amin'ny fahazazany.
Poucos professores são levados à justiça, julgados e condenados. São responsáveis pela infância perdida de milhares de meninas. A escola não é segura.
Estatísticas revelam que centenas de meninas são engravidadas na escola, parte delas por tutores, professores, directores.” pic.twitter.com/Q8F0LPbbpw
— Txeka (@TxekaMoz) August 13, 2020
Profesora vitsy no tratran'ny fanenjehana, vitsy no tsaraina sy melohina. Noho ry zareo, very ny fahazazan'ny zazavavy an'arivony. Toerana tsy azo antoka ny sekoly.
Maneho ny antontanisa fa zazavavy an-jatony no bevohoka any an-tsekoly, ka noho ny mpampianatra, profesora, tale no anton'izany amin'ny ampahany.
[sary] Afism-panentanana #laoranjionytontolo an'ny Firenena Mikambana mampiroborobo ny teny faneva hoe : “Mihetsika aho hampitsaharana ny herisetra ampiharina amin'ny vehivavy sy ny zazavavy.”
Nisy ihany koa fanangonan-tsonia navoaka hitakiana fanazavana avy amin'ireo polisy voarohirohy amin'ny fihetsiny. Hatramin'ny fotoana nanoratana ny teny paortiogey, olona mihoatra ny 3 800 no nanasonia izany.
Tamin'ny 19 aogositra, nivoaka tamin'ny fahanginany ihany ny filoha mozambikanina Filipe Nyusi nanambara ny fisokafan'ny famotoran'ny polisy amni'ity raharaha ity :
Para o Governo, este caso é sério e está a ser investigado ao detalhe ao nível ministerial e do Comando-Geral da Polícia da República de Moçambique. O Estado não deve nem vai tolerar situações como esta. A lei deverá ser cumprida e ela é igual para todos nós. Ninguém está acima da lei.
Decorrem inquéritos para aferir os contornos de cada um dos casos, procurando salvaguardar o estado psíquico e emocional das gestantes, porque elas merecem respeito humano.
Mandray hentitra ity raharaha ity ny governemanta ka efa an-dalana ny famotopotorana lalina eo anivon'ny minisitera sy ny etamazaoro jereralin'ny polisin'ny Repoblikan'i Mozambika. Tsy mahazo mandefitra amin'ny toe-javatra toa izao ny fanjakana, ary tsy handefitra. Ho ampiharina ny lalàna ary mitovy izany ho an'ny rehetra. Tsy misy olona ambony lalàna.
Manao ny famotorana izahay amin'izao fotoana izao natao hamaritana ny toe-javatra manodidina ny tranga tsirairay avy, sady manaja ny fahavoazana ara-tsaina sy ara-pihetsehampo mianjady amin'ny vehivavy bevohoka, izay mendrika hohajaina amin'ny mahaolona azy.
Raharaha hafa malaza an-gazety
Manampy totraka amin'ny herisetra miankady amin'ny vehivavy mozambikana ity raharaha ity, izay matetika tsy hita amin'ny fampitam-baovao.
Ao amin'ny faritanin'i Gaza, misy famotorana ady heloka bevava anenjehana ny depiote Alberto Niquice , avy amin'ny Mandam-Panafahana an'i Mozambika (Frelimo) mandeha amin'izao fotoana izao, amin'ny fanolanana zazavavy iray 13 taona tamin'ny taona 2018.
Tany am-piandohan'ny taona, fikambanana firaisamonim-pirenena mozambikana miisa 30 no mitaky ny hampiatoana ny depiote izay lany indray tamin'ny taona 2019 . Mbola afa-niasa sy mampiasa ara-dalàna ny fehim-potoana iasany ao amin'ny Antenimieram-pirenena ihany anefa izy io.
Notantarain'ny gazety ihany koa ny raharaha herisetra an-tokatrano mahalasibatra an'i Josina Machel, zanakavavin'ny filohan'i Mozambika voalohany, Samora Machel.
Tamin'ny oktobra 2015, nodarohan'i Rofino Licuco, olona niaraka taminy nandritra ny telo taona i Josina Machel. Very tamin'izany ny masony ilany. Voaheloka higadra telo taona sy efa-bolana i Rofino Licuco, sady mandoa onitra 300 tapitrisa meticals (tokotokony ho 4,2 tapitrisa dolara amerikana) amin'i Josina Machel.
Nampakatra ny raharaha izy, ary tamin'ny jona 2020, nandrava io didy io ny fitsarana tampony noho ny «tsy fahampian'ny porofo». |
https://mg.globalvoices.org/2020/08/20/149441/ | Netflix, nampidita ilay sarimihetsika lavabe angoley voalohany | 2020-08-20T12:38:09 | Unknown | Dokambarotra Netflix ho an'ilay sarimihetsika Santana, ho alefa voalohany amin'ny 28 Aogositra.
Manomboka amin'ny 28 Aogositra, hisy vokatra angoley hiditra voalohany ao anatin'ny katalaogin'ny Netflix. Tsy inona izany fa ilay sarimihetsika lavabe “Dias Santana”, niarahana nanatontosa tamin'i Afrika Atsimo.
O filme ‘Santana’, uma co-produção entre Angola e a África do Sul, de Maradona Dias dos Santos e Chris Roland, que se estreou nos cinemas em 2015 com o título ‘Dias Santana’, vai estar disponível no Netflix no dia 28 de Agosto. #NovoJornal #Angola https://t.co/gVhp4JFHWA
— Novo Jornal (@novojornalAO) August 17, 2020
ZZZZZZ Tamin'ny 2015 ilay sarimihetsika ‘Santana’ an'i Maradona Dias dos Santos sy Chris Roland, ary niarahan'i Angôlà sy Afrika Atsimo nanatontosa, no nalefa tanaty efitrano. Ho afaka jifaina ao amin'ny Netflix i ‘Dias Santana’ ny faha-28 Aogositra. #NovoJornal #Angola https://t.co/gVhp4JFHWA
— Novo Jornal (@novojornalAO) 17 Aogositra 2020
Araka ny nambaran'ny vavahadin-tserasera Observador dia ny Giant Sables Media ao Angola sy ny Zen HQ Films ao Afrika Atsimo no namokatra ilay sarimihetsika .
Ilay sarimihetsika, nalefa nandritra ny Fetibe Cannes tamin'ny 2015, dia mitantara ny tantaran'ireo mpirahalahy, jeneraly ny iray, ary pôlisy ny iray, izay nahavita namantatra ny mombamomba ireo namono ny ray aman-drenin-dry zareo, efa taompolo maro tany aloha tany.
Navoakan'ilay Angoley mpamokatra io sarimihetsika io, Jeremias Didalewa, tao amin'ny momba azy ao amin'ny Instagram ny fisaorana tamin'ny nahavitàna fifanarahana tamin'ilay sehatra (Netflix):
“Malta”, namana sy mpiray tanindrazana. Nahavita fifanarahana tamin'ny Netflix isika. Ho hitantsika ao amin'ny Netflix ilay sarimihetsika angoley voalohany “DIAS SANTANA” .
Sarimihetsika iray izay 80% tamin'ny famokarana dia angoley, ary 20% dia afrikàna tatsimo. Tantaran'ny fianakaviana angoley iray, izay nanomboka tao Angôlà ary nifarana tany Afrika Atsimo, ahitàna mpilalao avy ao amin'ny firenena sy avy any ivelany.
Iray volana taorian'ny nahavitan'ilay sarimihetsika voalohany avy ao Môzambika nisoratra tao anatin'ny katalaogin'ny Netflix ihany koa, tonga ny fanombohan'ny sarimihetsika angoley. |
https://mg.globalvoices.org/2020/08/14/149310/ | Ny tantara mahatsiravin'ny fanarahamaso faobe sy fitsikilovana ao Roandà | 2020-08-14T12:22:40 | Unknown | Tao anatin'ny Herinandron'ny Firoboroboana Maitso 2017 tao Roandà, mpandray anjara iray manadihady momba ireo fitaovana fanorenana tsy ahitàna ‘karbôna’, sary an'ny Rwanda Green Fund tao amin'ny Flickr CC BY-ND 2.0 .
Ity dia anisan'ny lahatsoratra anatin'ny UPROAR , hetsika santatra iray an'ny “Small Media” manainga ireo governemanta mba hiatrika ny fanambin'ny zo nomerika mandritra ny Universal Periodic Review (UPR) .
Mijoro ambonina fitantaràna roa mifanohitra ny fanjakàna ao Roandà.
Etsy ankilany, “zaza iangaran'ny tandrefana ” i Roandà, tondroina ho ohatra mamiratra amin'ny fandrosoana ao Afrika, indrindra fa raha resaka fivoaran'ny aterineto sy ny fiovàn'ny nomerika no resahana. Nahazo dera tamin'izao tontolo izao i Roandà noho ny fitàrana be tamin'ny fandrakofany tambajotra finday, ny fandrakofana 4G nampitolagaga ary ny famokarany “ smartphone” vita ao an-toerana ihany .
Etsy andaniny, mihodina taoy ny fanjakàna tsy refesimandidy manana ny fahefana faratampony, tena azo ambara ho mivangongo any amin'ny foibe. Ny antoko “Rwandan Patriotic Front (RPF)” eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana izao dia naka toerana ho toy ny hany mpiahy ny fandriampahalemana, ny fiarovana ary ny fampandrosoana, taorian'ny niainan'ny firenena tao anaty politika tetezamita tamin'ny lafiny rehetra taorian'ny fandripahana sy ny ady an-trano tamin'ny 1994, izay marobe ireo pôlitisiana, mpanao gazety, ary mpisehatra sivily no maty, nafindra toerana na nalàna baràka nandritra izany.
Entin'ny fanjakana manamarina ny fanarahamaso henjana ataony amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny fampanginana ireo tsy mitovy hevitra aminy, ary ny habibiana atao amin'ny mpanohitra ny resaka firaisankinam-pirenena, ny fiarovana, izay ikendrena indrindra indrindra ireo politisiàna any am-pielezana nandositra an'i Roandà mba hiaina an-tsesitany taorian'ilay ady, isan'ireny ireo mpikambana fahiny tamin'ireo hetsiky ny mpihoko nanana ny tobiny tany atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, hatramin'ireo endrika fahiny fantabahoaka tao anatin'ny governemanta ka nandositra an'i Roandà mba hanatevina laharana ireo antoko pôlitika tany Eorôpa sy Etazonia.
Miainga avy amin'ny tantaran'ny firenena momba ireo herisetra nampisarantsaraka ny foko, nandrafitra tetipanorona be pitsopitsony entina manara-maso mavitrika sy hamotehana ireo feon'ny mpanohtra ny governemanta, tamin'ny alàlan'ny fanarahamaso ny tontolon'ny aterineto, ny fampirohorohoana ary ny herisetra — tsy hoe fotsiny tao anatin'ny faritry ny Farihy Lehibe (Great Lakes) fa koa manerana ny tany.
Nandritra ireo telo taona farany, nitarin'ny fanjakana ihany koa ireo fotodrafitrasa fanarahamaso faobe teo an-tànany, miaraka amin'ny fametrahana tsy ela akory izay ireo tambajotrana ‘camera’ CCTV manerana ireo tanàna mifanolo-bodirindrina amin'i Kigakli renivohitra.
Betsaka ireo ohatra azo raisina tamin'ny voalaza fa nanaparitahan'ny fanjakàna ireo teknolojia hamelezana ny tsy mitovy hevitra aminy sy ireo mpikambana avy amina'ny mpanohitra , araka ireo porofo hita amin'ny trangam-pitsaràna marobe izay anoloran'ny mpiampanga ny dika avy amin'ireo resaka manokana nalaina avy amin'ireo fampiasa ifampiresahana anaty finday.
Tamin'ny Septambra 2017, vaky masoandro ny porofo hoe nampiasa tety anaty aterneto ny teknolojia sy rindrambaiko hafa fijiriana ireo sampandraharaham-piarovana sy fitsikilovana, mba hanarahana ireo hetsiky ny tsy mitovy hevitra aminy sy ireo mpikambana avy amin'ny mpanohitra.
Ohatra, vao volana vitsy monja izay, taorian'ny nanambaran'ilay pôlitisiàna Diane Rwigara ny firotsahany hofidiana ho filohampirenana tamin'ny 2017, nosamborina izy, niaraka tamin'ny reniny sy ny rahavaviny, tamin'ny fampiasàna fiampangàna sandoka ho nandositra hetra ary fihaikàna olona hankahàla ny fitondrana. Nandritra ny fakàna am-bavany savaranonando, rakipeo avy tao amin'ny WhatsApp nolazaina fa azo tamin'ny finday an'i Rwagara sy ny reniny no naroson'ny fampanoavana ho porofo miampanga azy ireo. Heverina ho ny fampiasàna rindrambaiko fitsikilovana no nahafahan'ny manmpahefana nahazo ireo hafatra ireo.
Tamin'ny 2019, nisy tatitra iray fanadihadiana lalina avy amin'ny Financial Times nitondra fanazavanana misimisy kokoa momba ny fironan'ny fanjakàna mankany amin'ny fanarahamaso akaiky ny fampiasàana ireo media sôsialin'olontsotra . Naborak'ilay tatitra ny mety ho fampiasàn'ny fanjakana ny rindrambaiko fitsikilovana Pegasus, novokarin'ny orinasa Israeliàna momba ny teknolojia.
Noho ny rindrambaiko Pegasus, azon'ireo masoivohom-piarovana atao ny manangona rakitra avy any amin'ireo findain'ny olontsotra, tsy ahitàna soritra, tafiditra anatin'izany ireo antso an-telefaona, ny olona ifandraisana, ny tenimiafina ary izay rehetra angondrakitra ifandefasana amin'ny alàlan'ny WhatsApp na Skype.
Ny zo hanana fiainana manokan'ny teny dia voarakitra ao anatin'ny lalàm-panorenan'ny Repoblikan'i Roadnà, ary koa ao anatin'ny Fifanarahana Iraisampirenena mifandraika amin'ny Zo Sivily sty Pôlitika (ICCPR) izay nosoniavin'i Roandà.
Fa noho ny resaka filaminam-pirenena, ny lalàna laharana 60/2013 mifehy ny fipaingorana fifandraisana dia maniome alàlana ny fampanoavana hamoaka “baiko am-bava” ho an'ireo sampandraharaha misahana ny fiarovam-pirenena sy ny fitsikilovana mba hijery, hipaingotra ary hamboraka ireo torohay rehetra novokarina, nampitaina, azo na voatahiry any anatin'ireo solosaina rehetra .
Mbola lavidavitra kokoa hono izay, ny tsy fisian'ny lalàna manokana miaro ny angondrakitra momba ny tena manokana dia manome vahana ireo sampandraharaha roandey misahana ny fiarovana mba hanangona tsy amin'ahiahy ireo angondrakitra.
Rehefa tafahoatra loatra ny fampiasàn'ny fanjakàna ireo fitaovana fanarahamaso, tandindonin-doza daholo ny olom-pirenena tsirairay. Ankehitriny i Roandà dia tsy ampy rafitra araka ny lalàna mifanaraka tsara natao ho taridàlana amin'ny fampiasàna ireo teknolojia ety anaty aterineto, amin'ny resaka fiarovana sy filaminam-pirenena.
Tsy maintsy jeren'ny fanjakana izay fomba handrindràna ny fampiasàna sy fampiharana ireny teknolohjia vaovao ireny. Ny fanomezana alàlana dia tokony hifototra aminà porofo tsy mitanila avy aminà mpitsara iray na rafitra tsy mainkina iray araka ny lalàna. Fanampin'izay, tokony raràn'ny fanjakana ny fanangonana an-jambany ireo angondrakitra mahakasika fiainana manokan'ny tena, tsy fanomezana alàlana raha tsy aminà tranga tena tsy maintsy ilàna ny fanaovana izany. |
https://mg.globalvoices.org/2020/08/02/149092/ | Malawi: Horohorontany miisa 30 tao anatin'ny 3 herinandro | 2020-08-02T06:02:35 | Unknown | (Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Desambra 2009)
Fisehoan-javatra tsy fahita firy araka ny famaritan'ny jeology sasany, nitrangana horohorontany miisa 30 ny distrika avaratr'i Malawi ao Karonga tao anatin'ny telo herinandro ka farafahakeliny olona miisa 5 no maty, ary maherin'ny 200 no naratra ary olona maherin'ny 3000 no tsy manan-kialofana. Nilaza ny vaovao farany fa nisy horohorontany iray hafa namely an'i Karonga ny alahady 27 Desambra 2009 ary mbola misy maro hafa no hitranga.
Maro ny fangatahana fanampiana ho an'ireo niharam-boina tao amin'ny distrika fitrandrahana uranium hatramin'ny nanambaran'ny filohan'i Malawi Bingu wa Mutharika an'i Karonga ho faritra tratran'ny voina manerana ny firenena.
Mailaka ireo bilaogera nizara ny fanehoan-kevitr'izy ireo. Fanontaniana mipetraka ao an-tsain'ny ankamaroan'ny Malawita ny antony mahatonga ilay horohorontany. Ao amin'ny lahatsoratra iray mitantara ny antsipirihany mitondra ny lohateny hoe The missing Pieces of the Karonga Earthquake Puzzle (Ny zava-mahagaga momba ny horohorontany tao Karonga) , nametraka sy namaly ilay fanontaniana i Muza Gondwe:
The first quake struck on the evening of Sunday 6 th government and Red Cross are providing assistance to the victims of the earthquake but equally the government should also provide answers as to what happened? Do people understand what causes earthquakes: do they deem it an act of God, punishment from angry ancestors, or a sign of the end of days?
December, then a larger quake the next morning, followed by a series of aftershocks in the Karonga District of Northern Malawi. The ground was shaking as far as Mzuzu 150km away with the biggest quake measuring 5.9 on the Richter scale. My parents who live in Rumphi between Mzuzu and Karonga, ran out of the house during each tremor wondering whether this was final days. Twelve tremors were felt across three days. Homes and buildings have been damaged, one fatality when a child died after a wall fell on him.
Ny harivan'ny alahady faha- 6 no namely ny horohorontany voalohany. Nanome fanampiana ho an'ireo traboina tamin'ilay horohorontany ny governemanta sy ny Vokovoko Mena kanefa tsy tokony hanome fanazavana mikasika ny zava-nitranga ihany koa ve ny governemanta ? Fantatry ny olona ve ny antony mahatonga ny horohorontany: heverin'izy ireo ho asan'Andriamanitra ve izany sa sazy avy amin'ny hatezeran'ireo razana, sa marika fara-andro?
Desambra, avy eo nisy horohorontany naharitra ela kokoa ny ampitso maraina, ary narahan'ny horohorontany nifanesy tany amin'ny Distrikan'i Karonga Avaratr'i Malawi. Nihovitrovitra ny tany hatrany Mzuzu tany amin'ny 150km nahatsapana horohorontany mahery vaika mirefy 5,9 tamin'ny maridrefy Richter. Nihazakazaka nivoaka ny trano isaky ny mihovitra ny tany ny ray aman-dreniko mipetraka ao Rumphi eo anelanelan'i Mzuzu sy Karonga sady nanontany tena hoe andro farany ve izao. Horohorontany miisa roa ambin'ny folo no re nandritra ny telo andro. Simba ny tranon'olon-tsotra sy ny trano lehibe, maty ny zaza iray rehefa nianjeran'ny rindrina.
Raha niezaka nanazava araka ny fomba fijery ara-jeolojia i Muza , i Ndagha kosa nizara ny fahasosorany tamin'ny tsy firaharahian'ny antoko politika ao Malawi izay nambarany fa mety nihazakazaka nakany Karonga raha toa ka fotoanan'ny fanentanam-pifidianana izany.
Is it that the parties do not have the money to give out to the victims or the area is not campaign friendly? I remember that earlier in the campaign period for 2009 elections, politicians competed against each other by out-giving money to Ndirande market fire “victims” in Blantyre.
You may wish to note that no one was reported dead or even injured yet the victims got over 5 million Kwacha in total. Compare that with Karonga when only 2.5 million Kwacha was given by Dr Bingu wa Mutharika!
Come on parties, be responsible and demonstrate that you are who you claim. This is when your electorate reallyneeds you.
Moa ve tsy manam-bola omena ireo niharam-boina ny antoko sa tsy fotoanan'ny fanentanana fifidianana ho an'ny faritra izao ? Tadidiko fa tamin'ny fiandohan'ny fampielezan-kevitra tamin'ny fifidianana tamin'ity 2009 ity, nifaninana ny mpanao politika nanome vola ho an'ireo niharam-boina tamin'ny fahamaizan'ny tsena Ndirande tany Blantyre.
Raha voamarikareo dia tsy nisy olona voalaza fa maty na naratra nefa nahazo vola mitotaly mihoatra ny 5 tapitrisa Kwacha ireo niharam-boina. Ampitahao amin'ny zava-nitranga tao Karonga izany raha tsy nisy afatsy 2 tapitrisa Kwacha monja no nomen'i Dr Bingu wa Mutharika!
Raiso ny adraikitrareo ry mpanao politika ary asehoy fa tena toy ilay lazainareo momba ny tenanareo mihitsy ianareo. Izany no tena ilain'ny mpifidy avy aminareo.
Mandritra izany fotoana izany, nandiso ny tsaho niely ny Minisiteran'ny Loharanon-karena Voajanahary, Angovo ary ny Tontolo Iainana fa vokatry ny asa fitrandrahana tao Kayerekera izay any amin'ny 35 km miala ny foiben'ny distrika ny horohorontany tao Karonga. Nilaza ny minisitera fa ankalamanjana ny toeram-pitrandrahana uranium ary tsy misy asa any ambanin'ny tany ka tsy misy ifandraisany amin'ny horohorontany noho izany.
Taloha kelin'ny horohorontany tany avaratr'i Malawi, nandalo olana ara-toekarena efatra lehibe i Malawi mikasika ny solika, ny fanakalozana ny tsenam-bola vahiny, ny herinaratra ary ny rano. Nahatonga ilay bilaogera i Austin Madinga nanontany tena izany raha mba nandray lesona tamin'ny zava-nitranga ny mpitondra ao Malawi :
We have water shortages in Blantyre, power and fuel shortages country wide and a general lack of foreign exchange. Left unchecked these can have debilitating effects on our economic growth. Various players have promised to resolve or ease the current pressures but when? The question I keep asking myself is will Malawians will come out of all these events any smarter?
Manana tsy fahampian-drano isika any Blantyre, ny fahatapahan'ny herinaratra sy ny tsy fahampian'ny solika manerana ny firenena ary ny tsy fahampian'ny [fifanakalozana amin'ny tsenam-]bola vahiny. Mety hisy fiantraikany miiba amin'ny fivoaran'ny toe-karena izany raha tsy misy ny vahaolana. Mpisehatra samihafa no nampanantena ny hamaha na hanamaivana ny olana ankehitriny kanefa rahoviana ? Ny fanontaniako amin'ny tenako hatrany dia hoe ho tafavoaka amin'ireny olana ireny amin'ny fomba hendry kokoa ve ny Malawita ?
Momba ny krizin'ny solika, niezaka nametraka ny toe-draharaha tamin'ny fomba fijery ara-tantara ilay mpanao gazety Richard Chirombo tamin'ny fanamarihana fa raikitra tany Mozambika ny sambon'i Malawi noho ny fihenan'ny fampiasana ny seranan'i Beira.
MALAWI has for the past ten years registered a sharp decline in the use of Beira Port in Mozambique, according to traffic statistics sourced from the port’s authority. A report from Cornelder de Mozambique, the company that won a 25 year-long concession from the Government of Mozambique in 1998 to run the port, points to a sharp decline in the use of the port by Malawian exporters and importers. It says, for instance, that, while the country’s imports and exports traffic amounted to 570 million metric tonnes in 1998- and went on to reach a 1, 3 million metric tonnes peak in traffic in 2002- Malawi has failed to beat its own record peak of 2006 .
Tato anatin'ny folo taona, araka ny antontanisa momba ny fifamoivoizana navoakan'ny seranan-tsambo dia nahitana fihenana ny fampiasan’ i MALAWI ny seranana Beira any Mozambika. Araka ny tatitra avy amin'ny Cornelder de Mozambique, nilaza ny orinasa nomen'ny Governemanta Mozambikana hitantana ny seranan-tsambo mandritra ny 25 taona tamin'ny taona 1998 fa nihena ny fampiasan'ny Malawita mpanafatra sy mpanondrana entana ny seranan-tsambo. Nilaza ity orinasa ity, ohatra, fa nahatratra 570 tapitrisa taonina tamin'ny 1998 ny fanafarana sy ny fanondranana entana tao amin'ny firenena – ary nahatratra 1,3 tapitrisa taonina tamin'ny taona 2002- tsy nahavita nihoatra ny fanondranany sy ny fanafarany entana betsaka indrindra tamin'ny taona 2006 i Malawi.
Nifanome tsiny ny mpanafatra solika sy ny governemantan'i Malawi sy Mozambika noho ny krizin-tsolika izay nianjady tamin'i Malawi nandritra ny efatra herinandro nifanesy ary tamin'ny volana Novambra sy Desambra. |
https://mg.globalvoices.org/2020/07/27/149193/ | Sarimiaina hanoherana ireo hevi-diso momba ny valanaretina Ebôlà | 2020-07-27T15:33:24 | Unknown | (Fanamarihana avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra fandrakofana manokana ny valanaretina Ebôlà tamin'ny 2014 izy ity. Ny rohy tsy nasiana fanamarihana dia mitondra mankamina lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)
https://vimeo.com/108650573
Niaraka niasa ny United Methodist Communications, Chocolate Moose Media ary iheed mba hamokatra sarimiaina iray ho alefa any Afrika Andrefana ho entina miady amin'ireo hevi-diso momba ny fomba fifindràn'ny valanaretina Ebôlà, ary ho entina misoroka ilay aretina. Ny United Methodist Communications no namatsy vola tamin'ny ampahany ny famoronana ilay sarimiaina, notontosain'ny Chocolate Moose Media , izay navoaka taminà fiteny marobe, toy ny anglisy, frantsay ary fiteny hafa maro avy ao Afrika Andrefana. Firenena folo no nifandrimbona mba hamoaka ilay sarimiaina : Kanadà, Ginea, India, Côte d’Ivoire, Liberià, Nizerià, Afrika Atsimo, Sierra Leone, Soisa ary Etazonia.
Ny ady ataon'i Afrika Andrefana hanakànana ny Ebôlà (#StopEbola) |
https://mg.globalvoices.org/2020/07/27/149182/ | Esorin'ny Ebôlà amin'ireo Afrikàna ny kolontsainy sy ny soatoavina maha-olona an-dry zareo | 2020-07-27T15:18:28 | Unknown | (Fanamarihana avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra fandrakofana manokana ny valanaretina Ebôlà tamin'ny 2014 izy ity. Ny rohy tsy nasiana fanamarihana dia mitondra mankamina lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)
Ilay mpahay fiarahamonina sady mpandalina momba ny olombelona, Ginny Moony, no manazava ny fomba nanesoran'ny Ebôlà tamin'ireo Afrikàna ny maha-olona an-dry zareo :
Tsy mitovy mihitsy ny fomba fikarakaran'ny Afrikàna sy ny Tandrefana ireo marary sy maty any amin-dry zareo, voalaza fa miavaka amin'ny an'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao. Tena marina loatra. Manerana ny tany, ny tena antom-pisian'ny fikarakarana ny marary dia azo lazaina ho mitovy: zavatra voajanahary ny mikitika ireo olona marary na maty ao anatin'ny fianakaviana. Manerana izao tontolo izao dia diovina ny maty ary avela ho taza-maso eo ny razana mba hahafahan'ny fianakaviana sy ireo olom-pantatra manao veloma farany azy. Any Pays-Bas, azonay atao ny mitazona ao amin'ny efitrano fandraisambahiny mandritra ny andro maromaro ireo havanay nodimandry. Ary dia misy ny fifampikasohana mivantana amin'ilay nodimandry mandra-panidy ny vatampaty sy ny fanitrihana azy na ny famindràna azy ho any amin'ny toerana fandoroana.
Ho an'ireo firenena tratry ny valanaretina Ebôlà, nahilika ireo fomba fanao amin'ny maha-olona satria nolazain'ny OMS sy ireo manampahaizana mandalina momba ilay valanaretina ho toy ny “fomba efa lany andro sy tsy iriana”. Tsy misy olona mametraka fanontaniana hoe rariny sa tsia ny tsy famelàna ny olona hikarakara ireo havany akaiky, sy ny tsy fanomezana zo azy ireo hisahana ny dingana mankany amin'ny fandevenana. Mazava ny vahaolana mba hisorohana ny olona tsy ho tratry ny Ebôlà: tsy mikitika, na inona na inona antony. Tsy noheverina ireo ho vahaolana mba misy fangorahana kokoa, toy ny fanomezana fitaovana fiarovana ho an'ireo olona ao anatin'ny fianakaviana mba ho afaka mandevina ny havany izy ireo, na misy mitarika an-dry zareo. Atao anjorom-bala ny vahoaka, rehefa tsy manaiky ny hiara-hiasa dia alefa any am-ponja. Vao mainka mampanalavitra kokoa ny vahoaka amin'ireo manampahefana ireny fepetra henjana ireny. Kapoka ny Ebôlà. Tsy ho an'ny vondrompiarahamonina iraisampirenena, tsy ho an'ireo pôlitisiàna, tsy ho an'ireo sangany, fa ho an'ireo vahoaka mahantra irenry ihany. Mahatsiaro ho irery ny vahoaka. Nilaozana. Tonga avy any ny volabe mikararàna, betsaka ny fanohanana tonga , fa mbola miha-mahazo vahana isanandro eny an-kianja ihany ilay valanaretina….
Ny ady ataon'i Afrika Andrefana hanakànana ny Ebôlà (#StopEbola) |
https://mg.globalvoices.org/2020/07/27/149179/ | Viriosy Ebôlà: nahafaty olona 59 tao Ginea ary manatona an'i Conakry | 2020-07-27T05:19:32 | Unknown | (Fanamarihana avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra fandrakofana manokana ny valanaretina Ebôlà tamin'ny 2014 izy ity. Ny rohy tsy nasiana fanamarihana dia mitondra mankamina lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)
Selan'ny viriosy Ebôlà tao amin'ny wikimedia Commons – Sary an'ny Tahirimbokin'ny Fahasalamam-Bahoaka, #10816- sehatra ho an'ny daholobe
Raha kely indrindra dia 59 no olona matin'ny fiparitahan'ny valanaretina Ebôlà tao Ginea ary tranga ahiahiana vitsivitsy hita any akaikin'i Conakry renivohitra no mahatonga hieritreritra fa mety efa niparitaka ao amin'ny renivohitra gineàna ilay aretina. Barbara Krief no manome ny fanavaozana farany [fr]:
Au moins huit agents de santé ont été tués à ce jour. En collaboration avec le ministère guinéen de la Santé, l'Unicef a rapidement livré dans les zones les plus affectées cinq tonnes de médicaments et d'équipements médicaux tels que des gants, nattes plastiques, couvertures, protège-nez, et des solutions de réhydratation orale et intraveineuse pour protéger le personnel médical et traiter les malades
Raha kely dia vao ireo mpiasan'ny fahasalamana maty androany. Niarahana niasa tamin'ny ministeran'ny fahasalamàna ao Ginea, fanafody dimy taonina sy fitaovana fitsaboana toy ny fonon-tànana, fitafy plastika, bodofotsy, tampinorona, ary ranom-panafody ho famerenana ny fahaverezan-drano (fisotro sy fampiditra anaty lalandrà) no naterin'ny UNICEF haingana tany amin'ireo faritra tena mizaka ny aretina mba hiarovana ireo mpiasan'ny fahasalamàna sy hikarakaràna ny marary.
Ito misy lahatsary manome torohay momba ny fiarovantena tsy ho tratry ny viriosy Ebôlà :
Ny ady ataon'i Afrika Andrefana hanakànana ny Ebôlà (#StopEbola) |
https://mg.globalvoices.org/2020/07/27/149173/ | Fanaovana sarintanin'ireo tranga Ebôlà 567 tany Ginea, Liberià ary Sierra Leone | 2020-07-27T04:09:51 | Unknown | (Fanamarihana avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra fandrakofana manokana ny valanaretina Ebôlà tamin'ny 2014 izy ity. Ny rohy tsy nasiana fanamarihana dia mitondra mankamina lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)
Fiparitahan'ny fanaviana nentin'ny Ebôlà tany Ginea, Liberià, ary Sierra Leone hatramin'ny 18 Jona 2014, avy amin'ny CDC – Sehatra ho an'ny daholobe
Ny 16 Jona, 49 ireo tranga vaovao tamin'ny Ebôlà navoakan'ny tatitry ny OMS, ka 12 tamin'izany no namoizana aina. Bart Janssens, tale mpanatanteraky ny fikambanana iraisampirenena tsy miankna amin'y fanjakana MSF(Medecins Sans Frontieres) dia namoaka fanambaràna iray nilaza fa :
Tsy voafehy ilay valanaretina, taorian'ny nahitàna toerana vaovao tao Ginean Sierra Leone ary Liberià, tena misy ny risika hiparitahan'izy io any amin'ny faritra hafa. Tsy voafetra ho olana ara-pahasalamàna atrehan'ny fanjakana ao Ginea irery intsony ny Ebôlà: efa mamely an'i Afrika Andrefana manontolo izy io ankehitriny.
Hatramin'ny nanombohan'ilay vlanaretina tamin'ny Febroary 2014, 567 ireo tranga voatily, 369 ireo tranga noahiahiana sy voamarina tao Ginea, 97 tao Sierra Leone ary 33 tao Liberià. Tsy misy ny fitsaboana manokana natao ho an'ny viriosy Ebôlà izay mitarika taham-pahafatesana avo be tokoa.
Ny ady ataon'i Afrika Andrefana hanakànana ny Ebôlà (#StopEbola) |
https://mg.globalvoices.org/2020/07/26/149151/ | Loza mitatao ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety mandritra ny ady atao amin'ny valanaretina Ebôlà ao Liberià | 2020-07-26T09:36:53 | Unknown | (Fanamarihana avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra fandrakofana manokana ny valanaretina Ebôlà tamin'ny 2014 izy ity. Ny rohy tsy nasiana fanamarihana dia mitondra mankamina lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)
Ny vatana mangatsiaky ny olona iray lavon'ny viriosy Ebôlà hita mirakotra lamba aorian'ny kamiao iray tao Monrôvià, Liberià -Sehatra ho an'ny daholobe
Vokatry ny hetsika nataon'ny governemanta hifehezana ny fiparitahan'ny viriosy Ebôlà, mampiasa loha ny fikambanan'ny mpanao gazety ao Liberià ny loza mitatao amin'ny fahalalahan'ny fahazoana vaovao. Manoratra taratasy iray ho an'ny minisitry ny fitsaràna ny fikambanan'ny mpanao gazety mba hisarihana ny sainy ho amin'ireo fanamby atrehan'ireo mpiasan'ny fampahalalambaovao amin'izao fotoana izao. Ito ny ampahany tamin'ilay taratasy :
Ny sain'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety dia mitodika manokana amin'ireo toejavatra marobe izay tsy hoe fotsiny maneritery ireo mpanao gazety amin'ny andraikitr'izy ireo hikaroka sy hizara izay vaovao ary torohay mahasoa ho an'ny daholobe, fa tena loza mitatao kokoa aza ho an'ny fandraisana anjaran'ny mpampahalala vaovao ao anatin'ny ady iombonana atao amin'ny Ebôlà. Iraisan'ny rehetra hevitra fa ny habaky ny fampahalalambaovao eto Liberià dia mpiara-miantsoroka tena manana ny lanjany amin'ny ady ho entina manamafy ny fampahatsiarovantena ny fiarahamonina misy antsika momba ny fiantraika sy ireo fanamby aterak'ilay valanaretina. Raha tsy hiresaka ireo fahavoazana ara-bola ateraky ny endrika maha-zavatra maika an'ilay valanaretina sy ny vokany amin'ny fiainana ankapobeny, ireo mpampahalala vaovao dia mitoetra mandrakariva ho mpisehatra amin'io ady io. Indrisy anefa, misy fihetsika marobe ataon'ireo mpiantsehatra avy ao amin'ny governemanta entina hamelezana ny mpampahalala vaovao, indrindra fa mandritra ireny fotoana ireny, nanome toerana tsotra izao ny fitomboan'ny fisalasalàna momba ilay valanaretina, ary vao mainka aza nampitombo tsy misy toy izany ny fandàvana eny anivon'ny fiarahamonina. Heverinay fa tsy rariny ary diso toerana izany.
Araho ny fandrakofana ifotony ataonay: Ny ady ataon'i Afrika Andrefana hanakanana ny Ebôla |
https://mg.globalvoices.org/2020/07/26/149160/ | Ny asa isanandro feno herimpo ataon'ireo siantifika mpiasana laboratoara hiadiana amin'ny Ebôlà ao Liberià | 2020-07-26T16:18:17 | Unknown | (Fanamarihana avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra fandrakofana manokana ny valanaretina Ebôlà tamin'ny 2014 izy ity. Ny rohy tsy nasiana fanamarihana dia mitondra mankamina lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)
Nandritra ny krizy ateraky ny Ebôlà misy amin'izao fotoana izao (EVD), marobe ireo tatitra mitantara momba ireo marary, mpiasan'ny fahasalamàna, vaksiny sy vokatra aterak'ilay aretina any amin'ireo firenena tratrany. Saingy vitsy ireo tatitra momba ny asa isanandron'ireo teknisiana mpiasan'ny laboratoara sy ny an'ireo izay mikarakara ny zavatra ilain'izy ireny isanandro. Tao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny buzzfeed.com mitondra ny lohateny hoe Ireo Maherifo Tsy Taza-maso amin'ny Krizin'ny Ebôlà ao Liberià , i Jina Moore no milaza ny tantaran'ireo olona manandanja amin'ny ady amin'ny viriosin'ny Ebôlà ao Liberià :
Tato ho ato i Catherine Jeejuah dia vao maraina be no manomboka ny asany izay tsy fantany intsony na ho ora firy na ho firy. Tsy misy dikany. Mifoha mbola maizina izy, mandrehitra afo, ary mahandro vary sy anana ho an'ireo zanany roa. Tokony ho amin'ny 6 ora sy 30 mn eo ho eo, rehefa manomboka tafiditra ny varavarankely ny hazavana, lasa izy mamonjy ilay sekoly akaiky indrindra eo.
Eto, mamerina ny nataony indray izy, amin'ny sehatra somary midadasika kokoa. Jeejuah, 30 taona, miampy vehivavy roa hafa, samy mpirotsaka an-tsitrapo daholo, no mahandro ho an'olona 12 amin'ireo olona manandanja indrindra ao Liberià ankehitriny saingy tsy misy mpahita.
Atao ho an'ireo teknisiàna manao fitiliana ny ràn'ireo marary ahiahiana ho mitondra otrikaretina Ebôlà ireo sakafo 12 ireo. Mitsidika ny tokantranon'ireo olona marary sy ireo ivontoerana natao hikarakarana ny Ebôlà izy ireo, manatsatoka fanjaitra amin'ny lalàndràn'ireo marary izay saro-pantarina ivelany, faran'izay tena mpamindra aretina. Avy eo ry zareo mitondra ny ràn'izy ireny miverina any amin'ilay hany laboratoara momba ny fahasalamàna ao Liberià, ora iray mahery miala an'i Monrovia renivohitra.
Ny ady ataon'i Afrika Andrefana hanakànana ny Ebôlà (#StopEbola) |
https://mg.globalvoices.org/2020/07/26/149147/ | Ebola mampitahotra: Voafandrika eo amin'ny sisintany iraisan'i Kamerona/Nizeria efa ho 40 ora mahery | 2020-07-26T07:42:36 | Unknown | (Fanamarihana avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra fandrakofana manokana ny valanaretina Ebôlà tamin'ny 2014 izy ity. Ny toromarika fisorohana lazaina ato anatiny anefa dia mifandraika sy ampiharina ho fisorohana ny valanaretina COVID-19. Ny rohy tsy nasiana fanamarihana dia mitondra mankamina lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)
Ny 19 Aogositra 2014, nakaton ‘ny Repoblikan'i Kamerona ny sisintany iraisany amin'i Nizerià ho fanakanana ny fiparitahan'ny viriosy Ebola, Na izany aza, tsy dia nisy fiheverana loatra an'ireo mpizahatany an'arivony maro ny nandraisan'ny governemanta io fepetra io – mpivezivezy izay teratany Kameroney sy Nizeriàna mipetraka any Kamerona no ankamaroany – voahidy tany ivelan'ny sisintany. Vokany, maro tamin'ireo mpivezivezy no voafandrika nihidy andro marobe tao amin'ny sisintany iraisan'i Kamerona/Nizerià, tanaty fepetra tsy zarizary nampihoron-koditra, niandry ny ho fitiliana azy ireo sao misy otrikaretina Ebôlà alohan'ny hamelàna azy ireo hiverina ao Kamerona.
Ny bilaogin'i Batuo no namoaka ny fitantaràna voalohany ny resaka nifanaovany tamin'i Patricia Temeching, iray tamin'ireo mpivezivezy voafandrika teo amin'ny sisintany efa ho 40 ora mahery:
Nandalo ny toerana fisafoan'ny tafika Nizeriàna aho ary dia naverina tsy fidiny tamiko ny pasipaoroko. Niampita ny tetezana aho. Feno olona marobe ny lafiny ilay avy aty Kamerona, ary toy izany koa ny paositry ny pôlisy/ladoany izay ery amin'ny telo metatra miala ny faran'ilay tetezana… Rehefa nanontaniako ny antony maha-be olona ny eo anaty tetezana dia ramatoa iray hita ho nalahelo no mamaly, “Miandry ny andiana mpitsabo hitily anay izahay sao misy otrikaretina Ebôlà , alohan'ny hahafahana miditra any Kamerona…” ‘Hatramin'ny oviana ianareo no efa niandry teto?’ hoy aho. “Ora dimy ambin'ny folo. Omaly aho no tonga teto taoriana kelin'ny nialàn'ireo andiana mpitsabo.” Nanatevina laharana ireo vahoaka maro be aho ary dia niandry izahay ka niandry. Hanoanana sy hatezerana no nanenika ahy. Akanjo vitsivitsy sy ireo antontan-taratasy akademikako no hany tao anaty kitapo fitondra mivezivezy teny amiko. Nony hariva dia nihamaro ireo olona nanatevina laharana anay ary dia nameno ny tetezana sy ilay paositra kelin'ny pôlisy, tao izahay no nijoro sy nandany ny alina. Mitambatra amin'ny hatsembohan'ireo olona efa mahatratra ho roanjato tsy nisasa ny fofona tsy mahasalamana nateraky ny fofon'amany sy tay avy ao ambadik'ilay tranobe, ary toa tsapa ho mamela fofona mahamonamonaina eny amin'ny rivotra. Ny ampitso maraina izahay nahazo vaovao hoe tsy ho ela dia ho tonga ilay andiana mpitsabo. Samy niandrandra an'izay daholo izahay rehetra. Hatramin'ny nitatao vovonana, tsy nisy na inona na inona nitranga… Io tolakandro io, rehefa nandany 24 ora teo amin'ilay toerana fisavana eo amin'ny sisintany aho, nomena alàlana izahay handeha an-tongotra mamonjy ny tanànan'i Ekok. Dia an-tongotra izay azo antoka fa hamono olona iray mararin'ny Ebôla. Nanakaràma tovolahy izahay hilanja ny entana. Rehefa tonga tao Ekok dia natsofoka tao anaty tranobe iray, foana no sady tsy misy jiroo, tsy misy toerana fidiovana na fandriana. Io no ho toerana fonenanay mandra-pahatongan'ireo andiana mpitsabo. Ela ny ela, tonga ilay ‘andiana mpitsabo’. Dokotera avy any Eyumojock. Dia nandalo fitiliana izahay. Toy izao no fandehany: nararaka tanaty rano ny Eau de Javel [fanalàna loto]. Nilahatra teo izahay ary nanasa tànana. Nanontsana ny vava ihany koa. Aorian'izay ianao dia voadio sy mahazo alàlana. Rehefa nahazo alàlana aho (t@ 10 alina), nilaozako ilay tranobe ‘fihibohana’ ary nandeha nitady trano fandriambahiny. Nahita tranokely iray efa godraka izay aho ary dia nisitrika tamina fandriana mampalahelo kely voarakotra lamba koroto fahana ihany nony farany. Taorian'ny efapolo ora nitsanganana, toy ny fandrianan'ny mpanjaka ity fandriana ity. Natory maty tsy nandre izay ambonin'ny tany aho. Ity no tena ahiahiko fatratra: Ahoana moa raha marina fa nisy taminay (efa ho roanjato olona mpivezivezy ireo) no tonga niaraka tamin'ny otrikaretina Ebôla avy any Nizerià? Dia betsaka ny vintana hoe nifindran'ny otrikaretina daholo izahay rehetra nandritra ny dimampolo ora taorian'ny nanibohana anay niaraka tao, ary dia efa mitondra ny viriosy amin'izao fotoana izao ho any amina ankohonana kameroney roanjato samy hafa.
Araho ny fandrakofana ifotony ataonay: Ny ady ataon'i Afrika Andrefana hanakanana ny Ebôla |
https://mg.globalvoices.org/2020/07/23/149018/ | Maoritania: Antanantohatra arabolonkoditra toa tsy laitran'ny fanovana | 2020-07-23T05:27:37 | Unknown | Saripikan'ny mariazy nentim-paharazana iray ao Atar ao Maoritania avy amin'i Radosław Botev , azo ampiasaina malalaka ao amin'ny Wikipedia
Ao Maoritania izay ahitana karazam-poko, toa minia manampi-tsofina amin'ny hetsika fitakiana manerantany Black Lives Matter (BLM na Misy Vidiny ny Ain'ny Mainty) ny governemanta, manohy ny politika izay mamokatra hatrany ilay fanavakavaham-bolonkoditra tsy tia mainty raiki-tapisaka ao anaty rafitra.
Ilay sarin'i “George Floyd Maoritaniana” nahahendratra
Raha maneho ny fahatafintohinany [mg] amin'ny fahafatesan'ilay Afrikana-Amerikana George Floyd izao tontolo izao, notaterin'ny fampitam-baovao maro ny sary nopihana tamin'ny 23 jona 2020 mampiseho polisy roa mandohalika ambonin'ny soroky ny lehilahy mainty iray nahohoka tamin'ny tany tao amin'ny faritra El-Minaa tanàna itatra atsimo andrefan'i Nouakchott, renivohitr'i Maoritania, anisan'ny nitatitra ny France24 . Nisongadina any amin'ireo sioka maro ihany koa io sary nahahendratra io :
“This image reminds us of what happened to George Floyd, but it also reminds us that we have a lot of work to do in Mauritania” https://t.co/eMGcSxLPYq
— Middle East Eye (@MiddleEastEye) June 23, 2020
Mampahatsiahy antsika izay nitranga tamin'i George Floyd ity sary ity, ary mampahatsiahy antsika ihany koa fa mbola betsaka ny asa miandry antsika ao Maoritania.
Na inona na inona antony nisamboran'ny polisy ity olona ity, nahatafintohina ihany koa ity sary ity satria nitranga teto Afrika, ary mampahatsiahy ny fomba nataon'ilay manamboninahitra polisy Amerikana Derek Chauvin tao Minneapolis tamin'ny 25 mey 2020 hanakendaroroka an'i George Floyd.
Antanantohatra ara-poko toa tsy laitran'ny fanovana
Maro ny mpandinika manazava amin'ny ampahany ny fihetsiky ny polisy maoritaniana amin'ny fanakavakavaham-bolonkoditra raiki-tapisaka ao anaty rafitra izay mbola hita hatramin'izao ao amin'ny firenena. Mbola tsy nofoanana ny fanandevozana raha tsy tamin'ny taona 1980, matetika noho ny volonkoditra no ametrahana ny toeran'ny olona iray.
Fiaviana Arabo-Berbera ny Bidhân, na “Maoro Fotsy”, ary mandrafitra ny 53 isanjaton'ny mponina, ary ireo no manjaka ara-politika. Ao amin'ny tafika , “saika ny telo ampahaefatra amin'ny jeneraly maoritaniana no Maoro fotsy.” Ambanin'ny rafitra no misy ny Haratin , na “Maoro Mainty”, izay mandrafitra ny 34 isanjaton'ny mponina. Ireo Haratin ireo dia taranak'ireo noandevozin'ny Bidhâns, ary miteny arabo ihany koa. Misy ihany koa ireo vondrom-poko Afrikana atsimon'i Sahara fiaviana izay mandrafitra ny 13 isanjaton'ny mponina.
Misy fiantraikany lalina sy ratsy ho an'ny vahoaka tsy-Bidhân izay mandrafitra ny 47 isanjaton'ny mponina izany antanantohatra izany. Niresaka izany olana izany ao amin'ny tranonkala Maliana malijet.co i Ciré Ba, Maoritaniana mpikatroka zon'olombelona monina ao Paris :
L’exclusion au sein de l’armée n’est jamais que le reflet du racisme systémique qui est l’essence même de l’Etat mauritanien. On peut l’observer à tous les autres échelons de la vie nationale, qu’il s’agisse de la fonction publique et notamment la haute administration, de l’enseignement, de la santé, de l’information, de la vie économique. La politique d’assimilation par la langue arabe n’en est qu’une manifestation en format réduit.
Taratry ny fanavakavahana arabolonkoditra ara-drafitra izay vatan'ny fanjakana maoritaniana ny fanilikilihana eo anivon'ny tafika. Azo jerena eo amin'ny ambaratonga hafa rehetra amin'ny fiainam-pirernena izany, indrindra fa eo amin'ny asam-panjakana sy ny fitantanana ambony, fampianarana, fahasalamana, fampahalalam-baovao (torohay), eo amin'ny fiainana ara-toekarena. Endrika bitika fotsiny ny fampiatiana amin'ny alalan'ny fiteny arabo.
Hita ho tsy mihevitra ny hanova ny toedraharaha ny manampahefana ary mbola manamafy ny fahefany. Tokony ho jerena ao amin'izao toe-draharaha iizao, araka izay misongadina ao amin'ny fanehoan-kevitra iray ao amin'ny vondrona Facebook Miampanga ny Favakavaham-bolonkoditra tamin'ny septambra 2019, ny (fomba) fandraisana mpianatra ho manamboninahitra miisa 47 tsy ahitana mainty hoditra :
L’annonce du recrutement de 47 élèves officiers l’armée nationale sans aucun Haalpulaar, Soninké, ou Wolof [trois des principales ethnies noires du pays] est un énorme scandale. Et, au regard du principe de l’égalité, entre les citoyens, ce recrutement est une continuité de la politique du sabotage à l’encontre de la quiétude sociale. À travers de tels agissements, de ces décisions iniques et des politiques injustes, on pousse à certains à sentir qu’ils n’ont pas de place dans ce pays
Fahatafintohinana goavana ny fandraisana mpianatra ho manamboninahitra miisa 47 tsy ahitana Haalpulaar, Soninke, na Wolof [foko mainty telo betsaka indrindra ao amin'ny firenena]. Ary raha jerena ny fotokevitra fitoviana eo amin'ny olompirenena, dia fanohizana ny politika fanimbàna ny firindrana ara-piarahamonina izao fandraisana mpianatra izao. Amin'ny hetsika tahaka izao, amin'ny fanapahankevitra feno fiangarana sy politika tsy ara-drariny tahaka izao, voatosika hahatsapa ny olona sasany fa tsy manana toerana eto amin'ity firenena ity ny olona sasany
Izzo Wane avy ao Maoritania, mpikaroka taloha tao amin'ny Silicon Valley, niteny ny fanavakavaham-bolonkoditra niainany tao amin'ny lahatsoratra bilaogy iray tamin'ny 6 Jona :
La discrimination raciale est toujours présente dans mon pays d’origine. Je l’ai remarqué pendant mon dernier séjour au pays il y’a quelques mois alors que beaucoup de gens proches me disaient que c’était « normal » et que j’avais « juste trop duré à l’étranger ». Je suis certain que presque chaque Mauritanien noir a vécu dans sa vie un incident, souvent traumatisant, lié à sa couleur de peau… Il y’a quelques jours à peine, Abass Diallo, un Mauritanien noir a été assassiné par l’armée.
Mbola manjaka ao amin'ny firenena niaviako ny fanavakavahana ara-bolonkoditra. Voamariko izany nandritra ny fitsidihako ny firenena volana vitsivitsy lasa izay ary maro amin'ny olona akaiky no miteny amiko fa “normal” izany ary “ela niainana loatra” tany ivelany aho. Matoky aho fa efa niaina toejavatra teo amin'ny fiainany, matetika mandratra fanahy mifandraika amin'ny volonkodiny ny Maoritaniana mainty tsirairay… Vao andro vitsy lasa izay no novonoin'ny tafika i Abass Diallo, Maoritaniana mainty.
Maoritaniana maro no niontana tao amin'ny Twitter tamin'ny famonoana an'i George Floyd :
Mauritanie : l'arrestation du “George Floyd mauritanien” indigne la communauté noire https://t.co/NiI9tZ6NpS pic.twitter.com/w4AhjrlPoz
— FRANCE 24 Français (@France24_fr) June 24, 2020
Maoritania: nahatafintohina ny vondrom-piarahamonina mainty ny fisamborana an'i “George Floyd Maoritaniana”
Miantso firaisankina eo amin'ny samy Afrikana ihany koa ny mpaneho hevitra, ary misy ny miantso ny Afrikana mpitarika haka fijoroana :
Il faut que les autres dirigeants s'expriment à ce sujet… ils sont Charlie mais ils ferment les yeux à cette injustice/intolérance qui se passe dans leur continent. C'est pas l'Afrique de Lumumba, Nyobe, Cabral et Sankara. Réveillons nous et sanctionnons la Mauritanie
— Manteya Freitas (@ManteyaF) June 26, 2020
Niainako tao Nouakchott izao. Teo amin'ny fandoavambolan'ny fivarotana finday iray aho hividy sim raha nanosika ahy handray ny toerako ny vehivavy Maoro iray. Andeha hamaly aho no niangavy ahy ny zatovolahy mainty iray: “Aza manao izany fa mety ho saritahan'ny olona eto ianao.” Tohina aho
Firenena mpanandevo sy mpanavakava-bolonkoditra i Maoritania. Fomba ilay kitakita amin'olona ao amin'ny faritra na ny mihoatra izany aza. Raha misy firenena izay tsy mikaonty ny ain'ny vahoaka mainty hoditra, dia ny repoblika Islamika mpanandevo ao Maoritania.
Tsy maintsy miteny amin'ity lohahevitra ity ny mpitarika hafa… [je suis] Charlie ry zareo saingy mikimpy maso amin'ny tsy rariny/tsy fahazakana mitranga ao amin'ny kaontinantany. Tsy izao no Afrikan'i Lumumba, Nyobe, Cabral ary Sankara. Andao hitsangana ary hanasazy an'i Maoritania.
Mahita ny tranonkala Ivoariana iciabidjan (@iciabidjancom) fa mbola fahita mahazatra ao Maoritania ny fanandevozana :
Suite à la mort de George Floyd aux…États Unis, l’UA et la CEDEAO ont réagi et exprimé leur indignation. C’est bien. Ces 2 institutions savent elles que sur le continent même, en Mauritanie entre autres, l’esclavage est une pratique courante? Balayons devant notre porte… pic.twitter.com/ihPZOS5x3Y
— iciabidjan (@iciabidjancom) June 11, 2020
Taorian'ny fahafatesan'i George Floyd any …Etazonia, niontana amin'ny fanehoany ny fahatafintohinany ny Vondrona Afrikana sy ny CEDEAO. Tsara izany. Fantatr'ireo Andry lehibe roa ireo ve fa ao amin'ny kaontinanta ihany, any Maoritania ankoatra ny hafa, dia mbola fomba mihatra soa amantsara ny fanandevozana? Andao diovina aloha ny tokotanintsika…
Ho an'ny manampahefana Maoritaniana, tombony miavaka azony avadika ho hirika tsara ny fiorenan'ny firenena manelanelana an'i Afrika Avaratra sy Afrika Atsimon'i Sahara. Saingy raha te-hanao izany dia mila mamarana ny politika manavaka sy manilika ny efa ho manasaka ny mponina ao aminy ry zareo . |
https://mg.globalvoices.org/2020/07/20/149037/ | Pastora Angoley maromaro nisintaka tamin'ny Eglizin'ny Fanjakan'Andriamanitra Erantany | 2020-07-20T14:55:27 | Unknown | Mikasa ny hisintaka tsy ho eo ambanin'ny fitantanana breziliàna ny rantsana Eglizin'ny Fanjakan'Andriamanitra Erantany (Église universelle du royaume de Dieu) ao Angôlà. Mivaky toy izao ny soratra eo ambany amin'ny fàfana : « Misy pasitora breziliàna sy lehilahy maro mirongo fiadiana mitsofoka ny katedraly Morro Bento. » Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'ny fantsona TPA , notontosain'i Dércio Tsandzana ny 27 Jona 2020
[Raha tsy itondràna fanamarihana manokana, ny rohy rehetra ato anaty lahatsoratra dia mitondra mankany aminà lahatsoratra amin'ny fiteny portiogey]
Efa tany amin'ny Novambra 2019 tany ho any ny raharaha, fony nisy andiana pasitora angoley nijoro nanohitra ireo olàna ara-pitantanana mahakasika ny rantsana angoley amin'ny Eglizin'ny Fanjakan'Andriamanitra Erantany [fr] (fanafohezana amin'ny teny frantsay EURD), iray amin'ireo lehibe indrindra amin'ny vondrom-pinoana pantekôtista amin'ny endriny vaovao eto amin'izao tontolo izao.
Nanao sonia taratasy iray misokatra ireo pasitora angoley hiampangàny ireo breziliàna mpiara miasa amin-dry zareo ho manao kolikoly sy manavakavaka, ary niampangany ny fomba fanao manery ny tsy maintsy hamatorana ny fantson-dranonaina.
Tamin'ny Jona 2020, nisy vondrona pasitora angoley tonga dia nanapaka tsotra izao ny fiarahana amin'ny EURD breziliàna, ary nanangana ny Eglizy Erantany Angoley. Manamafy io vondrona io fa mahafehy ny 42% amin'ireo tempoly ao amin'ny firenena.
Taterin'ny BBC Brésil fa fampitambaovao ofisialy iray no nasetrin'ny rantsana Eglizin'ny Fanjakan'Andriamanitra Erantany ao Angôlà izany :
Alguns templos no país foram invadidos por um grupo de ex-pastores desvinculados da Instituição por práticas e desvio de condutas morais e, em alguns casos, criminosas e contrárias aos princípios cristãos exigidos de um ministro de culto.
Tempoly vitsivitsy ao Angôlà no nobaboinà andianà pasitora voaongana tao anatin'ny rafitra noho ny fomba fanaony mibirioka sy ny fitondrantenany tsy mendrika ny ara-maoraly ary, amin'ny tranga sasantsasany, noho izy ireo voarohirohy taminà heloka bevava sy mifanohitra amin'ny fotopisaina kristiàna tokony ho hajain'ny mpanompo mpitarika fivavahana.
Nantsoina ny polisy angôley hanampy tosika hiantohana ny filaminan'ireo eglizy tany amin'ny tanàna maro ary dia nanokafan'ny manapahefana ara-panjakana fanadihadiana trangana heloka bevava ankehitriny ity raharaha ity.
Ny 23 Jona, nilaza tamin'ny gazety mpiseho isanandro Jornal de Angola ny pasitora, Agostinho Martins da Silva, mpitondratenin'ny Kaomisiôna mpanorina ny “Eglizin'ny Fanjakan'Andriamanitra Erantany nohavaozina” ao Angôlà, fa :
Os angolanos continuam a testemunhar actos de discriminação racial, castração, abortos forçados às esposas dos pastores angolanos e usurpação das competências da assembleia geral de pastores.
Tivemos uma reunião com a liderança brasileira, que prometeu fazer reformas em relação ao racismo, evasão de divisas, bem como a inserção de pastores angolanos e das respectivas esposas em postos de maior destaque na igreja, mas sem sucesso.
Os nacionais parecem estrangeiros e os estrangeiros tomaram o lugar dos nacionais no nosso próprio território.
Há pastores angolanos há mais de 18 anos na obra e com 40 anos de idade impedidos de casar por recusarem a vasectomia
Tohizan'ireo Angôley ny fijoroany vavolombelona amin'ireo fihetsika fanavakavahana, famosirana ny lahy, fanalàna zaza an-tery atao amin'ireo vadina pasitora angoley, ary ireo fanamparam-pahefana ataon'ny Fikambanamben'ireo pasitora.
Nisy fivoriana niarahanay tamin'ny fitantànana breziliàna, izay nanome toky ny hitondra fanavaozana amin'ny resaka fanavakavahana, fandosirana hetra, ary hatramin'ny fanendrena ireo pasitora angôley sy ny vadin'izy ireny hitazona toerana ambony ao anatin'ny antanan-tohatry ny eglizy, fa tsy nahitàna vokatra.
Toy ny vahiny eto amin'ny taniny ny Angôley, fa ireo vahiny no maka ny toeran-dry zareo.
Misy ireo pasitora angôley efa nanao asa fanompoana nandritra ny 18 taona mahery ary sakànana tsy hanana zo hanambady, na amin'ny faha-40 taonany aza, satria nandà tsy nety hovosirina izy ireny.
Amafisin'ny vondron'ireo pasitera nisintaka fa ny Eglizin'ny Fanjakan'Andriamanitra Erantany ao Angôlà dia ho eo ambany fitarihan'ny pasitora Valente Bezerra Luiz, filoha lefitra fahiny tao anatin'ny EURD.
Ny 26 Jona, nambaran-dry zareo fa mikatona daholo ireo eglizy rehetra manerana ny firenena, noho ny tsy fisian'ny fahafahana miantoka ny fandriampahaleman'ireo pasitora sy ny mpino.
Tao anaty lahatsary iray nivoaka tamin'ny Twitter ny 28 Jona, lazain'ny pasitora iray fa ireo Breziliàna dia mandrisika ireo fomba fanao mifanohitra amin'ny zo maha-olona sy ny lalampanorenana ao Angôlà:
Jovem da igreja universal Angola ??esta a reivindicar a reforma na igreja . pic.twitter.com/np7eFMcj8S
— Nelson fragão (@NFragao) June 27, 2020
Takian'ireo tanora ao amin'ny Eglizy Erantany ao Angôlà ny hisian'ny fanavaozana ny eglizy.
Pastores da Igreja Universal expulsos dos templos em Angola. Foram colocados pra correr, muitos estão na rua. Querendo voltar para Brasil. É né, charlatões pic.twitter.com/5qRJBupAM0
— Pя๏ƒэ†ล ʟʊɨʐǟ̃օ ☭ (@NeloSohn) June 27, 2020
Nohazaina hiala ny tempoly tao Angôlà ireo pasitoran'ny Eglizy Erantany. Voatery nanao tongotra an-katoka ry zareo, ary marobe tamin'izy ireo no eny an-dalambe izao. Maniry ny hody any Brezila ry zareo. Mazava loatra, ry mpametsifetsy.
Ny 6 Jolay, Agência Pública nanamarika fa i Edir Macedo , mpitarika faratampony ao amin'ny EURD, dia manondro fa ireo breziliàna pasitora roa fahiny niasa tao Angôlà no fototr'io « fakàna fahefàna » io :
Em uma live anunciada como “meditação com pastores” publicada nas redes sociais no sábado, 27 de junho, o líder máximo da Igreja Universal do Reino de Deus (IURD), Edir Macedo, culpou os ex-bispos brasileiros João Leite e Alfredo Paulo por um “golpe” em Angola, que teria levado, há 15 dias, religiosos africanos a se rebelar e assumir o controle de 220 dos cerca de 300 templos da instituição no país.
Ao anaty lahatsary iray nalefa mivantana tety anaty tambajotra sôsialy ny Sabotsy 27 Jona, sy nambara ho toy ny « fisaintsainana niarahana tamin'ireo pasitora », dia notanan'ilay mpitarika faratampon'ny Eglizin'ny Fanjakan'Andriamanitra Erantany (EURD), Edir Macedo, ho tomponandraikitra tamin'izao « fakàna fahefana » tao Angola izao ireo Breziliàna roa pasitera fahiny, João Leite sy Alfredo Paulo. Tao anatin'ny 15 andro, nitroatra ireo afrikàna mpitarika fivavahana ary naka ny fifehezana ireo tempoly 220 tamin'ireo 300 anànan'ny EURD manerana ny firenena.
Fanoritsoritana ny fototry ny olana
Niforona tany Brezila tany amin'ny faramparan'ny taona 1970 tany ny EURD, tonga tao Angôlà tany amin'ny fiandohan'ny taona 1990 ary amin'izao fotoana izao dia iray isan'ireo lehibe indrindra raha fikambanam-pivavahana ao amin'ny firenena. Io Eglizy io no tompon'ny tambajotram-panapariahana brezilàna RecordTV, izay manana rantsana 150 manerana izao tontolo izao, ka ao Angôlà ny iray.
Tamin'ny Febroary sy Martsa 2013, natrehan'ny EURD ny fanafoanana ny asany rehetra tao Angôla taorian'ny nahafatesan'ireo olona folo sempotra sy voahitsakitsaka , nandritra ny fotoam-pivavahana izay natao tao anaty kianja iray feno hipoka tafahoatra.
Teresa Cruz e Silva, ramatoa iray mpikaroka, no nanazava fa tao Mozambika, nifanandrify taminà vanimpotoana nisian'ny krizy nateraky ny ady an-trano ny fahatongavan'ny EURD tamin'ny 1992, izay nanampy betsaka tamin'ny fidirana faobe ho ao amin'io eglizy io.
Tsy miafina amin'ny rehetra ihany koa fa mitombo ny disadisa any amin'ireo tany hafa mampiasa sy miteny portiogey, toy izay nisy tao Mozambika sy tao São Tomé-sy-Príncipe . |
https://mg.globalvoices.org/2020/07/14/148953/ | Mitombo ny tranga COVID-19 ao Kamerona, mpitondra fivavahana iray milaza fa mety ny raokandrony | 2020-07-14T05:35:34 | Unknown | Tale ao Kamerona misahana ny programa sy ny siansa miara-miasa amin'ny CDC, Dr. Clement Ndongmo, manaramaso ny arofenitra fitiliana COVID-19 amin'ireo mpandeha tonga ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Nsimalen ao Yaoundé, Kamerona, 1 Jolay 2020 via CDC/Flickr CC BY 2.0 .
Nisy ihany ny fisalasalana rehefa nanao fanambarana ny Arseveka Samuel Kleda avy ao amin'ny arsidiôsezin'i Douala ao Kamerona fa nahita ny itsaboana ny COVID-19 izy tamin'ny Avrily 2020.
Saingy ankehitriny, raha nanakaiky ny 15.000 ny tratra ary mihoatra ny 11.500 ny sitrana ao amin'ny firenena, nilaza ny eveka Kleda fa marary 1500 no nankany aminy hanandrana ny fitsaboana nanomboka hatramin'ny avrily lasa teo.
In Cameroon, Most Reverend Samuel Kleda, the Archbishop of the Metropolitan Archdiocese of Douala, has produced a mixture of plants that is said to have cured some Coronavirus patients.
He has been in the study of plants for over 30 years.
Via @NjieEnow . pic.twitter.com/hTY0VEdoF5
— Africa Facts Zone (@AfricaFactsZone) April 25, 2020
Ao Kamerona, ny hajaina Reverend Samuel Kleda Arseveka avy amin'ny Arsidiôsezy Metropolitana ao Douala, no manana fangaron-javamaniry izay lazaina ho nanasitrana ny sasantsasany amin'ny mararin'ny Coronavirus. Efa nihoatra ny 30 taona no nianarany momba ireo zavamaniry ireo.
Nolazain'ilay mpitondra fivavahana ny fahitany ireo marary mijaly amin'ny olana ara-pisefoana rehefa voatily ho miabo ahitana ilay viriosy..
Hundreds rush for Archbishop's herbal #COVID19 ‘cure’ in #Cameroon . The popularity of Archbishop Samuel Kleda's alleged #herbal cure has prompted some authorities to try to make the treatment more widely available https://t.co/yCBinjbJeg #health pic.twitter.com/UzFNSPwCiT
— The Observer (@observerug) May 3, 2020
Anjatony ireo nirohotra haka ny raokandron'ny Arseveka ‘hanasitranana’ amin'ny Covid-19 ao Kamerona. Ny lazan'ny lazaina ho raokandro mahasitrana an'ny Arseveka no nahatonga ny manampahefana sasantsasany manao izay hanapariahana kokoa ilay fombam-pitsaboana.
“Mandray ireo olona manam-pahasarotana amin'ny fisefoana izahay. Ary 24 ora aty aoriana, manomboka misefo tsara ara-dalàna ry zareo,” Hoy ny Eveka Kleda tamin'ny fampitam-baovaom-panjakana ao Kamerona, ny CRTV, tamin'ny 7 jolay.
Nilaza ny Eveka Kleda, izay efa nianatra ny zavamaniry nandritra ny 30 taona, fa miasa miaraka amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana ao Kamerona izy hahalasa lavitra kokoa ny fanafodiny — izay fangaron-javamaniry nentim-paharazana.
Tany amin'ny fiandohan'ny volana jona, nambarany tamin'ny fomba ofisialy ny anarana “Elixir COVID:”
Douala Archbishop, Samuel Kleda has publicly named his COVID-19 treatment.
In Douala today, he called the herbal treatments Elixir Covid and Adsak Covid.
Archbishop Kleda's move comes days after meeting the PM who promised government support for the treatment.
MMI pic.twitter.com/nJQAsujOfe
— Mimi Mefo Info (@MimiMefoInfo) June 5, 2020
Arsevekan'i Douala, Samuel Kleda namoaka ampahibemaso ny anarana itsaboana ny COVID-19. Ao Douala amin'izao fotoana, niantso ny fitsaboana amin'ny zavamaniry ho Exilir Covid sy Adsak Covid izy. Tonga izao hetsika nataon'ny Arseveka izao rehefa avy nihaona tamin'ny PM izy izay nampanantenain'ny governemanta azy ny fanohanana ilay fomba fitsaboana.
“Miasa miaraka amin'ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka aho. Manao fandinihana ireo fanafody izahay sy ireo marika mety ho hita amin'ireo tsaboina.,” hoy ny nolazainy.
Na dia mbola mandalo famotopotorana aza ity raokandro ity dia mino ny dokotera Ange Gilbert Kameni avy ao amin'ny Foibem-pitsaboana avy ao amin'ny arsidiôsezin'i Douala fa “mahomby amin'ny fitsaboana iadiana amin'ny coronavirus” ity lazaina ho fanafody ity.
Nankatoavin'ny parlemanta ao Kamerona ny fampiasana fanafody nentimpaharazana mba hampihemotra ny COVID-19 sy handrisihana ny governemanta hampiasa vola amin'ny fikarohana izay mety ho fitsaboana.
Nisioka ny Praiminisitra tamin'ny faramparan'ny volana mey:
Le Gouvernement accompagne la recherche de solutions locales, en droit fil des indications fortes du @PR_Paul_BIYA du 19 mai 2020: “J’encourage également tous les efforts visant à mettre au point un traitement endogène du #COVID19 . “ #PaulBiya #BiyaSpeech #StopCOVID19 #Cameroun https://t.co/Y4RQ9sgVJA
— Cameroon PM Cameroun (@CameroonPm237) May 27, 2020
Tohanan'ny governemanta ny fitadiavam-bahaolana ao an-toerana, ary mifanaraka indrindra amin'ny toromarika nomen'i @PR_Paul_BIYA tamin'n19 mey 2020: “Mandrisika ihany koa aho ireo ezaka rehetra hampivelarana ny fitsaboana #COVID19 avy ato anatiny. ” #PaulBiya #BiyaSpeech #StopCOVID19 #Cameroun
Tamin'ny volana mey, anefa, ny m governemanta namoaka fanambaràna ” mampitandrina ireo befilaza ho afa-mitsabo COVID-19 nefa hangorom-bola amin'ny vahoaka miaritra na manahy noho ilay viriosy.”
Nilaza ny OMS faritra Afrika fa tsy mbola misy ny fanafody mahasitrana amin'ilay coronavirus mahafaty — na dia “manohana ireo fitsaboana nentim-paharazana efa voaporofo ara-tsiantifika aza.”
Iray amin'ireo firenena atsimon'i Sahara asian'ny COVID-19 mafy mihitsy i Kamerona na dia mbola ambanin'ny 150.000 amin'ny mponina 26 tapitrisa ao aminy aza no vita fitiliana.
Mampitandrina ny OMS na Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana fa mety hitarika mankany amin'ny valan'aretina mandripaka mangina ny fahavitsian'ny fitiliana tontosaina eto Afrika |
https://mg.globalvoices.org/2020/06/26/148674/ | “Redención” no sarimihetsika môzambikàna voalohany tafiditra tao anaty lisitra Netflix | 2020-06-26T08:46:05 | Unknown | Redención ao amin'ny Netflix. Pikantsary nataon'i Dércio Tsandzana.
Sambany no nampidirana vokatra 100% môzambikàna tao amin'ny Netflix. Hivoaka ao amin'io sehatra io amin'ny volana Jolay ny “Redención”, nosoratan'ilay Môzambikàna, Mickey Fonseca.
Sarimihetsika vokatry ny famatsiambola nifandrimbonana tamin'ny ampahany izy io, ary tao Môzambika no noraketina tamin'ny 2017. Ny vavahadin-tseraseran'ny Jornal Público no milaza ny tantaran’ ilay sarimihetsika :
Resgate centra-se na história de Bruno, que quer mudar de vida depois de ter passado quatro anos na prisão e conhecer finalmente a filha bebé que partilha com Mia.
Tenta encontrar, primeiro sem sucesso, um trabalho como mecânico, a profissão em que se especializou. A tia, irmã da sua recém-falecida mãe, arranja-lhe um emprego numa garagem.
Mas este novo plano de vida cai por terra quando, sem aviso, o banco ameaça despejá-lo da casa da mãe se não pagar o empréstimo, por ele desconhecido, que ela contraiu antes de morrer. E é aí que vai ter de voltar ao mundo do crime.
Ny tantaran'i Bruno no ifantohan'ny “Redención”, lehilahy iray te-hanova ny fiainany taorian'ny efatra taona laniny tany am-ponja sy nihaonany tamin'ilay zanany vavy naterak'izy sy Mia, rehefa ela ny ela.
Nezahany aloha ny nitady asa ho mpanamboatra ny simba amin'ny fiara (mécanicien), asa niofànany manokana, saingy tsy nahazoany vokatra izany. Nahitan'ny rahavavin-dreniny, izay vao nodimandry tsy ela akory, asa izy tao amina toerana iray fanamboarana fiara.
Saingy tsy nahomby io ezaka hanana fiainana vaovao io rehefa, tampoka teo, nandrahona ny haka ny tranon-dreniny ny banky raha tsy alohany ny fitrosàna vola nataon'ny reniny, izay tsy fantany velively ny fisiany. Ary dia eo ianao no tsy maintsy tafiditra amin'ny tontolon'ny heloka bevava.
Tamin'ny 2019, nalefa tamin'ireo efitrano andoavam-bola tao Môzambika, Angôla ary Pôrtiogaly ny “Redención”. Naseho ihany koa izy nandritra ireo fetibe tao Burkina Faso sy Zimbaboe.
Nomena voninahitra notolorana ny lokan'ny seho an-tsehatra tsara indrindra ihany koa ilay sarimihetsika, ary ny lokan'ny fitantànana artistika tsara indrindra, nandritra ny AMA Awards fanomen'ny African Film Academy, izay loka manandanja indrindra ho an'ny sarimihetsika afrikàna atao isan-taona ao Nizerià.
Mbola tamin'ny 2019 ihany, nahazo ny loka natao ho an'ny Sarimihetsika Feno Fahasahiana tao amin'ny Festival de Cine Zell tany Aotrisy izy.
Nolazain'i Fonseca tamin'ny vavahadin-tseraseran'ny Ministeran'ny Kolontsaina ao Môzambika fa voninahitra ho azy ny nahita ny sarimihetsika voalohany novokariny tafiditra ho ao anaty lisitr'ilay goavana mpivoy ny fanapariahana haino aman-jery virtoaly eto amin'izao tontolo izao:
“Resgate” foi muito bem recebido a nível nacional e isso foi emocionante para nós, porque fizemos o filme com muito sacrifício e meios próprios. Estamos a levar o filme para o resto do mundo, de modo que todos possam ver.
Nalaza be tao amin'ny firenena ny “Redención” ary tena nampientanentana anay tokoa, satria fandavantena betsaka tokoa sy fitiavana manokan'ny tena no nentina niasa na nandrakitra azy. Tsy maintsy mitondra izany ho an'ny amin'izao tontolo izao izahay, mba ho ny rehetra no ho afaka hahita azy.
Ho azo jerena ao amin'ny Netflix arahana fandikàna ho amin'ny teny anglisy ilay sarimihetsika, vaovao iray izay nahafinaritra tokoa ireo Môzambikàna mpampiasa Twitter ny nandre azy:
? BOAS NOTÍCIAS! ? A NETFLIX decidiu avançar com a dobragem do RESGATE para língua inglesa, para que o filme tenha maior alcance mundial! ????? O lançamento do RESGATE na plataforma de streaming irá acontecer em Julho, mas não no dia 01. Atentem às novidades! pic.twitter.com/UoKUTSsGUm
— Resgate (@Filme_resgate) June 23, 2020
REDENCIÓN Afaka jifaina amin'ny volana Jolay. Netflix . ————– ? ¡VAOVAO TSARA! ? Noraisin'ny NETFLIX ny fanapahankevitra handroso ny fotoana handefasany ny Redención arahana dika amin'ny teny anglisy, mba ho maro kokoa erantany no ho tratran'ilay sarimihetsika! ????? Ny volana Jolay ny fandefasana voalohany ny REDENCIÓN ao amin'ilay sehatra, fa tsy ny 1. ¡Araho ny vaovao!
Todos estamos felizes por ter resgate no Netflix Nós podemos fazer parte duma revolução artística, imaginem todas outras indústrias a crescer, música, artes visuais etc. Acreditem na nossa arte, temos muito a oferecer e vocês só tem de acreditar e dar UMA CHANCE. Não é difícil
— MICHALUK ? (@Michaluk_) June 18, 2020
Faly isika rehetra manana ny Redención ao amin'ny Netflix. Afaka ny ho isan'ny revôlisiôna ara-javakanto isika, afaka maka sary an-tsaina ny hiroboroboan'ny indostria hafa rehetra, ny mozika, ny zavakanto natao hojeren'ny maso, sns… Mino aho fa ao anatin'ny taokantontsika, manana betsaka azo atolotra isika ary tokony fotsiny hino sy hanome VINTANA, tsy sarotra izany.
Tato ho ato, nahazo habaka bebe kokoa ao amin'ny Netflix ny vokatra afrikàna. Ohatra, ilay andian-tantara afrikàna tatsimo “Queen Sono”, andiantantara voalohany ao amin'ny Netflix izay tany Afrika daholo mihitsy no namokarana azy.
Ireo sarimiaina natao ho an'ny ankizy no vokatra afrikàna hafa misongadina ao anatin'ny lisitr'ilay sehatra: ohatra ny “ Mama K's team 4 “, mbola afrikàna tatsimo ihany koa, ary tsy toy irony klasika avy any Hollywood irony, toy ny “Lion Heart” sy “Chief Daddy.” |
https://mg.globalvoices.org/2020/06/16/148466/ | Mihetsika manivana ny vaovao mivoaka amin'ny Twitter momba ilay fanafihana tao Cabo Delgado ry zareo Môzambikàna | 2020-06-16T16:21:15 | Unknown | Tetezana ao Cabo Delgado, Môzambika, 4 Aogositra 2009. Sary an'i F. Mira , nampiasàna ny lisansa CC BY-SA 2.0.
[Raha tsy misy fanamarihana manokana, mitondra mankany aminà lahatsoratra amin'ny fiteny pôrtiogey ny rohy ato anaty lahatsoratra . ]
Amin'izao fotoana izao, mihetsika ireo vehivavy mpampiasa Twitter ao Môzambika mba hizara ireo lahatsary sy torohay momba ny herisetra mamely ny faritanin'i Cabo Delgado, toerana iray anjakan'ireo vondrona mitam-piadiana, efa hatramin'ny 2017 [fr].
Mihoatra ny 900 ireo olona namoy ny ainy [en] hatramin'ny nanombohan'ireo fanafihana, ary ny tatitra iray avy amin'ny governemantam-paritra nivoaka tamin'ny Febroary 2020 dia manamafy fa maherin'ny 150.000 ny olona efa ianjadian'ilay fifandonana. Tsy mbola fantatra tanteraka ireo antony nanosika ireny fanafihana ireny, fa misy tondro vitsivitsy toa manondro vondrona islamista iray mpanao an-tendro.
Tsy ela akory izay, ny governemanta môzambikàna dia nandray anjara taminà fihaonana an-tampony niarahana tamin'ireo filohampirenena hafa ao atsimon'i Afrika, andrana iray mazava tsara hitadiavana fanohanana ivelany amin'ny ady atao amin'ireo mpihoko.
Andro vitsy taty aoriana, nambaran'ny filoha môzambikàna ny fahafatesan'ireo roa mpitarika ilay vondrona tomponandraikitra amin'ireo herisetra any avaratry ny firenena.
Maro tamin'ireny fanafihana ireny no niafara tamin'ny fanelezana azy taminà endrika lahatsary sy saripika tety anaty tambajotra sôsialy, indraindray dia ireo mpanafika mihitsy aza no mizara azy. Rehefa tsy misy ny vaovao avy amin'ny mpitondra fanjakana, ezahan'ireo sasantsasany mpampiasa Twitter ny manangona sy mandrindra io votoaty io ety anaty tambajotra sôsialy :
#CaboDelgado as coisas pioram dia após dia, #massacres atrás de massacres, destruição de vilas umas das outras. Para quando o apoio militar da #SADC ??
— Egídio João (@Egidio_E_Joao) June 3, 2020
Miharatsy isanandro ny toedraharaha ao Cabo Delgado, fandripahana tsy mitsahatra, fitetezana mandrava tanàna. Rahoviana no hisy tohana avy amin'ny tafika hataon'ny Fiombonamben'ireo Fanjakàna ao amin'ny ilany atsimon'i Afrika ?
Afinal o que está acontecer em Cabo Delgado (Moçambique)?
A Thread pic.twitter.com/kcVVZDBiTp
— Withney Osvalda (@withneysabino) June 1, 2020
Farany, inona no tena zavamitranga ao Cabo Delgado ( Môzambika ) ?
kofehin-kevitra . pic.twitter.com/kcVVZDBiTp
[sary] Vohitra iray ravan'ny afo. Hita amin'ny sary ny lavenona, sy ireo hazo fisaka mitsingidina amin'ny tany ary ireo hazo tapaka. Ery aoriana indray, toeram-ponenana mbola mijoro.
Okok THREAD CABO DELGADO Peço que deixem aqui em baixo toda informação que há disponivel sobre o que está a acontecer em Cabo Delgado, vamo nos ajudar a ajudar, invés de reclamarem só!!
— soh fee uh (@smaquile) June 1, 2020
Ok, ok. kofehin-kevitra iray momba an'i Cabo Delgado. Miangavy anareo aho, apetraho etsy ambany izay vaovao rehetra azo raisina momba ireo zavamitranga amin'izao fotoana izao ao Cabo Delgado, hifanampy isika, fa tsy hitaraindraina fotsiny !
Para podermos ajudar temos que ter informação, e isso o governo não está a publicar, temos que estar a basear-nos em mouth to mouth information e videos fora de contexto que nos mandam de lá…
— druegas, sole da (@Queen_Tassy1) June 1, 2020
Mba hahafahana manampy, dia tsy maintsy hainay izay miseho, ary ny governemanta tsy mampita momba io resaka io, araka izany dia tsy maintsy miainga avy amin'ny resaka miampita izahay, ary ireo lahatsary mivoaka ny zavamisy izay alefa aminay avy any [amin'ny faritanin'i Cabo Delgado]…
Lembrei de ter lido nalgum lugar que a forma mais fácil de roubar terra é criando instabilidade ao ponto dos proprietários fugirem. Não há terra mais barata do que aquela em conflito e miséria. Agora pergunto… a quem interessa comprar Cabo-Delgado?
— manteiga de karité, bebé (@Leocadeea) June 1, 2020
Tsaroako novakiako tany ho any fa ny fomba mora indrindra hambaboana tany dia ny fambolena korontana mba hanerena ny tompony handositra. Tsy misy tany mora vidy tahàka ireo any anatin'ny faritra misy fifandonana sy fahantràna. Araka izany dia manontany tena aho… Iza no mahita tombony amin'ny fividianana an'i Cabo Delgado ?
Ao anatin'io onjam-panehoana hevitra io, misy ireo olona mampitaha ny toedraharaha ao Cabo Delgado amin'izay zavanitranga tany amin'ny firenena hafa :
Tenho visto em muitos Moçambicanos “Black life’s Matter” e menos “Pray for Cabo Delegado”…
— ???? (@Djbavy) June 3, 2020
Tsikaritro tamin'ireo Môzambikàna maro [ny fihetsika] “Misy vidiny ny ain'ny mainty” [sic, anondroana ilay hetsika any Etazonia “Black Lives Matter”] fa tsy dia ny “Mivavaha ho an'i Cabo Delgado” loatra.
Etsy andaniny, betsaka koa ireo fampitandremana mameno ny Twitter momba ny fielezan'ny hafatra sasantsasany azo heverina ho mamitaka:
Mas muita atenção com a informação proliferada por este senhor, já várias vezes foi confrontado por mostrar imagens que não são de Cabo Delgado e ele tenta passar as images como “exclusivas”!
— Micah Dunduro (@Donduro88) June 2, 2020
Fa tsy maintsy mitandrina fatratra isika amin'ireo vaovao aelin'io rangahy io, efa im-betsaka izy no voapaingotra noho ny fanehoana sary tsy nopihana akory tany Cabo Delgado, milaza azy ireny ho sary “tsy misy mpanana”.
Tahàka izay ihany, nisy hetsika vaovao iray nipoitra, ikendrena ny hanairana indray ireo hestika firaisankina ho entina manampy ireo olona mizaka ny firohotan'ny herisetra any amin'ny faritanin'i Cabo Delgado :
Estamos a preparar a 4a Fase da campanha de solidariedade nacional por Cabo Delgado. Precisamos de voluntários para pré-organização Por favor partilhem com os vossos amigos que possam ajudar-nos com cartazes e vídeos da convocatória✌? #CaboDelgado_também_é_Moçambique #CaboDelgado
— Cídia Chissungo (@Cidiachissungo) June 3, 2020
Eo am-panomanana ny fehezanteny fahefatra ho an'ilay fanentanana ho firaisankinam-pirenena ho an'i Cabo Delgado izao izahay. Mila mpirotsaka an-tsitrapo ho amin'ireo fanomanana. Maingavy, zarao amin'ireo namanareo mety afaka hanampy anay ireo afisy sy fanasàna #CaboDelgado_dia_Môzambika_ihany_koa #CaboDelgado
Quem puder ajudar de alguma forma: #CaboDelgado #CABODELGADOIMPORTA pic.twitter.com/Itnq9V507K
— Alícia Cossa (@alicia_cossa) June 3, 2020
Ho an'izay rehetra mety ho afaka hanampy, na amin'ny fomba ahoana, na amin'ny fomba ahoana. #CaboDelgado #CABODELGADOIMPORTA pic.twitter.com/Itnq9V507K
[sary] Afisy fangatahana tolo-tànana,miaraka amin'ny teny faneva natao sorabaventy : ” Tsy adino i Cabo Delgado !” Ny sary lafika dia sarina vondrona olona mitorevaka eo ambony tsihy napetraka amin'ny tany, manao sarontava. Azo vakiana anaty soratra miloko fotsy ny hoe : “Fotoana izao hanaovana izay vita ! Isan'i Môzambika i Cabo Delgado ! Mila antsika ireo rahalahintsika mialokaloka ao Cabo Delgado ao Namialo (Nampula).” Ankoatra ny fanampiana ara-bola, mangataka tolo-tànana amin'ny fitafiana ho an'ny ririnina, lamba fitafy, fitaovana fidiovana, ary sakafo tsy mora simba ihany koa ilay vondrona. |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.