text
stringlengths 10
11k
|
|---|
Amin’io fotoana io dia tsy mahazo mitafy ny fanamiana maha mpanjaka azy ny mpanjaka rehetra afa tsy ilay mangataka tsodrano ihany. Ny antony dia ny iavahany amin’ny maro ary indrindra hisantarany manokana izany fanamiana izany ao amin’ny lapa masina. Amin’io fotoana io ihany koa dia ny mpanjaka lahy ihany no mandeha eny ivatofa tsy miaraka amin’ny vadiny. Ny antony dia ny lehilahy no mandova fanjakana ao ivato fa tsy vehivavy, noho izany diany lehilahy ihany no omena tsodrano ao amin’ny fanandratana mpanjaka toy itony. Ny an’ny mpanjaka vavy kosa dia tanterahina eny an-tanàna ihany amin’io fotoana io ihany koa. 3-3-3-2-ny fombafomba atao mandritra izany
|
Akanjony avy ao an-damosina. Ny kiraro lamba somary kelikely vodin-tongotra ary mifatotra anoloana. Miloko fotsy sy manga malefaka. Mifanendrika avokoa amin’ny fihetsiny izany rehetra izany.
|
Boky i tak 129 159 boky i tak 159
|
Andriamalala, hetraketraka ii, tak.128-130
|
Misy kosa ny feon-teny maka ny toetry ny renifeo sy maka ny toetry ny zanapeo; izany toe-javatra izany no ilazana azy ireo hoe sarirenifeo na sarizanapeo. Roa izy ireo eo amin’ny teny indonezianina sy ny teny malagasy, dia ny feon-teny j sy w ilay feon-teny voalohany dia miasa ao amin’ny voanteny indonezianina yakin jakin mino, matoky ; ilay faharoa kosa dia miasa ao amin’ny voanteny indonezianina wanita wanita vehivavy ilay voalohany dia miasa ao amin’ny voanteny malagasy ihany ’jani sy miasa ’mjasa ; ilay faharoa miasa ao amin’ny voanteny malagasy hoatra ’wotra sy fivoahana fi? Vwahana eo amin’ny teny malagasy dia tsapa fa miasa toy ny zanapeo ny feon-teny j, w ao amin’ny voanteny miasa ’mjasa sy fivoahana fi’ vwahana satria mipetraka aorian’ny renifeo araka ny takin’ny rafi-peo malagasy; miasa toy ny renifeo kosa ireo feon-teny ireo ao amin’ny voanteny ihany ’jani sy hoatra ’wotra satria mandray ny toeran’ny renifeo araka ny takin’ny rafi-peon-teny malagasy ka ifamalian’izy ireo amin’ny renifeon’ny voanteny tany ’ tani sy loatra ’ lotra .
|
Eo amin’ny vanin-teny faharoa na amin’ny faran-teny 2 e i- beli vidy, kelek helika, pepet fefika, rezeki riziky
|
Ireo sary ao amin’ny tononkalon’ny r. Fidimanantsoa fomba iray ahafahana mikaroka ny lafika tokana ihany koa ny fandalinana ny sary, saingy eto izy, dia hiasa ho fanamafisana, na fandrodanana ny lafika tokana fo mitomany hita tamin’ny fanisana ireo voambolana mateti-piherina. Koa, hiroso amin’ny fandinihana ireo sary misy rohy taratra amin’ny lafika tokana ny asa; ny vainga moa no akora iaingana amin’ny fanatanterahana izany. Ireo vainga tsy manana aina no anombohana azy, ary avy eo ireo vainga manana aina.
|
Ireo antonantony mahatonga fahoriana fafana no ndeha anehoana ireo teny manondro ny antony mahatonga fahoriana.
|
Tahaka ny olon-drehetra eto amin’izao tontolo izao ; saingy tiany kokoa ny fitsinjarana amin’ny mpiara-monina izay ananany fa tsy ny fampiasana izany samirery 124 endri-piharian-karena hatrizay ny fifanakalozana, saingy niha tsy hita tsikelikely rehefa niditra ny vola ka nahazo laka mandraka ankehitriny. Tsy foana tanteraka anefa io fomba io, fa mbola hita amin’ny lafin-javatra maro ankehitriny. Karazany roa ny takalo misy ny takalo izay ifanaovan’ny olona roa manana entam-barotra mitovitovy tombam- bidy ary tsy misy vola atsindry azy. Misy ny takalo arahina vola tsindriny ary matetika no entam-barotra roa mitovy karazana saingy samy hafa ny tombam-bidiny no ifanakalozana amin’izany. Ohatra iainan’ny maro ankehitriny ny fifanakalozana finday. O fivarotana sy fikaramana lalan-tokana ahazoam-bola ny fitondrana ny vokatra eny an-tsena, ary fanirian’ny tantsaha ny hahalafo izay entana entiny any an-tsena. Hoy i h. M. Dubois eto no isehoan’ny toetra mampiavaka ny merina sy ny betsileo ary ny amin’ny fialam-boly tiany avy. Hoan’ny merina dia fitiavan-kivarotra, ho an’ny betsileo dia fitiavan-kandehandeha sy hividy .125 sehatra ihaonan’ireo vokatra rehetra entin’ny tantsaha ny tsena, satria manomboka amin’ny vokatra madinika azo vimbinina ka hatramin’ny entina an-tsarety na amin’ny fiara dia samy hita ao avokoa. Ao ihany koa ireo vokatra samihafa avy any ivelan’ny kaominina talata volonondry ampidirin’ny mpandraharaha isan-tsokajiny. Mbola taratra ny fahatanterahan’ny tenin’andrianampoinimerina hoe asia’ko tsena atao ko lapa ivarotana izao zavatra rehetra ananany olona sy ividianany ny olona tsy mananana, sy ivelomana, sy atao filan-karena ny kamboty sy ny malahelo k’izao ny anangana’ko ny tsena, atao fivelomana fa ny tsena no fivelomana, ry ambanilanitra ; na dia mangahazo masaka aza dia ento, amidio any an-tsena ; na inona na inona raha zavatra mihetsiketsika fomba ny
|
Ny vola. Notorian ingahy
|
Raha ory ny saina ka miferinaina io ilay tiana eto an-tany hanala tomany.
|
Atolotray am-panetren-tena izany, tompoko. Tsapanay tokoa fa ny ondrilahy be hofaka no tokony ho sahaza anareo; fa ny valala tsy an-tanana hono tsy atolo-jaza, ny tany mena tsy mirehitra. Ka isoronanay ny tsiny fa sahazanay manolotra tompoko, fa tsy sahaza anareo tolorana azy.
|
Fampielezan-kevitra ho an’ny mpanao pôlitika ifandrombahana ho an’ny mpanao fampielezan-kevitra amin’ny fotoam-pifidianana isan’ambaratonga ny andro talata, tsena ao amin’ny kaominina talata volonondry, satria tsy sarotra ho an’ny tantsaha ny fandraisana hafatra ampitaina amin’io. Toy izao no filazan’i faranirina esoavelomandroso ny zava-nitranga tao amin’ny tsena iray tao an-drenivohitr’i madagasikara ny tsena an-kalamanjana, irohotan’ny vahoaka maro, tandrenivohitra sy tambanivohitra no toerana nofisina mba hanaparitahana ny fampielezan-kevitra politika. Tamin’ny 1936, taonan’ny fanalalahana amin’ny endrim-panjanahan-tany, taona nitondra fanantenana na nofinofy , ny mpomba an’i jean ralaimongo iray sy ny kôminista frantsay paul dussac no niantso kabary teo amin’ny tsenan’andravoahangy, faritra be mponina sy be olona. Io kabary io dia ho fangatahana amin’ny mpihaino azy ny handraisany anjara amin’ny firotsahana hitolona ho an’ny fitiavan-tanindrazana 118.
|
Lesona tsotsotra momba ny fianarana poezia amin’ny teny malagasy. Imprimerie f. F. M. A faravohitra. Antananarivo.
|
Ny fiainana. Sarotra anefa ny mahita izany fiainana tsy ahitana olana izany. Nentina hampaherezan-tena ihany araka izany ny hyperbole eto. Tahaka izany koa no hita amin’ny hoe ataoko havana daholo ny olona rehetra. Endrika isehoan’ny ezaka atao’ny mpandray anjara fototra io hihoarana amin’ny olam- piainana izay mianjady aminy. Araka izany dia tsy mahavaha tanteraka ny olana ny fanolorana ny andram-bahaolana eto fa entina mba hampitony ny saina hahafahana miatrika ny olana.
|
Izao ny fiafaran’ny tanindrazana. Nofaranany tamin’ny fitarihana ny vahoaka izany, ka hoy indrindra izy ka noho izany, hovelomina ny nentin-drazana, hofohazina ny sampy masina, hohamasinina ravololona ka na iza hisakana izao hevitra izao, na iza hitsivalana, na iza hanatsatso, na iza hanakivy; fatambary hariva izao ka tsy azon-tsampona intsony, ary tafika efa nidika ka tsy maintsy miroso 314 hitantsika teo ny fanafihana avy hatrany, fa misy koa ny valim- panafihana. Misy dimy ny isany efa hita teo aloha ny iray amin’ireo, izay tsy inona fa ny antomboka. Ireto kosa ny efatra hafa; voalohany amin’izany ny antsongoloka.
|
Fafana 02 ireo an-kibon-tanin’ny faritra 18-19
|
Mipaka amin’ny tenany sy ny ataony ny fanambonian-tena ataon’ny mpiteny.
|
Ny renifeo ?
|
Ra ho- mai nty no i ndre ny 8
|
Tsy rano natondraka an-damosin-gana akory ireny fitiavana natosaky ny ray aman-dreny amin’ireny zanaka ireny, fa tsapany sy tsaroany tokoa.
|
Ny fitaovana iaingana itondrana ny lesona dia tsara raha fantenana mba hifanaraka amin’ny tanjona kendrena aty amin’ny vontoatim-pampianarana azo atao ny miainga amina lahatsoratra na lahabolana na resadresaka aorian’ny fampifanatrehana mivantana lanonam-pianakaviana na aorian’ny fanadihadiana amina sokajin’olona manana sedra ofana amin’ny fahalalana mikasika izany ekena fa mety hisedra olana na marimarina kokoa , mametraka olana ny fampiasana azy tsirairay ireo , tsy afa-miala amin’ireo anefa isika ka tsara raha anaovana fandinihana mialoha izay horaisina.
|
Ny tanindrazana iombonana
|
Ny fahatsiarovana sy ny fifandraisana am-po ary ny fitia tsy te hisaraka intsony. Tsy mahita teny entina hampiononana anao aho ka aleoko mangina dia fanginana tokoa no tohin’izany teny izany. Niantoraka teny aminy aho nifokofoko nitomany. Ary taorian’ny patrapatra- dranomaso niraraka teny amin’ny endriko ary namoto ny ankajony dia tara- pahazavana no hitako teny amin’ny masony mandrakariva an-tsary ny hamiramiran’ny endriko tojo fiononana. Niomana aho! Ny teny tsotra nefa feno fahendrena sy vokatry ny fo no nataony no nahatonga izany. Raha tsy tsara orina ny fitiavako ny vady andefimandriko dia angamba ho tendrombohitra hafa indray no nentiko nanaraka ahy hanamafy ny tendrombohitra naorin’ny razanay. Tsy takatra takarina ny lanjan’ny teny atao ary tsy hay refesina ny heriny. Eny teny kely monja feno hatsaram-panahy. Tonga hevitra mafonja ka nitondra hery ho ahy hoy ny tononkira iray izay. Diso fihevitra ireo mihevitra raha momba ahy, fa nahazera tendrombohitra aho. Vao mainka mafy orina ao am-poko sy ao an-tokotanin’ny fahatsiarovako ny rivotra madion’ny finoana sy fanantenana ary ny fitiavana eo am-piandrasana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.
|
Ohatra fehezan- kevitra fototra ery amin’ny efitra fandriana, raymond rabarivelo. Tovolahy maranidranitra sady bikàna.
|
Hay ve ny tady mba misy tariby a! A! Mahavita azy ny jomakanay at? He roy e! Tsara milalao re niany a!
|
Antenaina fa ho maro ireo mpikaroka izay hanabe voho hatrany ny literatiora malagasy, indrindra ny tantara foronina momba ny fitandroana ny filaminana roman policier izay manampy amin’ny fanolokoloana sy fanabeazana ireo taranaka, ary mitahiry ny soa toavina maha-malagasy. Zava-kendrena amin’izao asa fikarohana izao moa ny fanasongadinana ny lanjan’ny tantara foronina momba ny fitandroana ny filaminana roman policier eo anivon’ny literatiora malagasy, koa irinay ny hanohizan’ireo mpikaroka any aoriana ny asa.
|
Dany, madagascar tribune , n 361, 26 febroary 1990
|
Miavaka ny andininy rehetra amin’ny lahatsoratra , ka mora vakina sy mora azo ny hevitra raketiny. Manisy faritra fotsy ihany koa ny mpanoratra; somary mihataka kely miankavanana izy rehefa manomboka ny andininy , ka tsy sarotra fantarina araka ny nambaran’i richaudeau mantsy, dia ny faritra fotsy no manomboka ny andininy , ary izany no hamantarana azy47. Midina andalana ihany koa izy rehefa handrafitra ny andininy manaraka. Ho an’ny tononkalo kosa, dia betsaka kokoa ny fotsy manasaraka ny andininy tsirairay avy. Ny laharan-takila
|
Ny fanetren-tena. 1 12,13,14 setriny omen’ilay solemita an’i solomona 2 1 misongadina amin’izany ny fifikirany
|
Tsy ananan’ny teny indonezianina noho izany ny mpampitohy maneho fananana tahaka ny endrika -n- amin’ny teny malagasy, ary fahita amin’ny teny maro maneran-tany. Mety ampidirin’ny mpanoritra si na faranan’ny endrika aman-tovana -nya ilay voalohany amin’ireo anarana mifanesy. Ohatra pacar si temanku amaton’ny’ ny namako , kunci mobil fanalahidin’ny fiara , pengeras suara fanamafisam-peo , filmnya rambola horonan-tsarin-drambola , didirikannya sekolah fanorenan-tsekoly .
|
Takelaka fifampilazam-baovao, laharana 00, janoary 2010. Endémique voambolana fampiasa matetika hilazàna ireo harena voajanahary, biby na zava-maniry, mivelona ara-boajanahary amin’ny toerana iray voafaritra mazava tsara, eny na dia nentina nambolena na nompiana any amin’ny toeran-kafa aza tak 2
|
Manamafy izany ny mpandinika r. P. Rahajarizafy antoine fa na eo aza io fanahiana sy fahatahorana fahafatesana io, raha tonga amin’ny anjarany ny teraky ny nosy dia mionona 104. Ankoatra ny anjara dia nanana ny fiheverany mikasika ny vintana ihany koa ny malagasy.
|
Takila lohatenin’ny tononkalo fitsipi-drafi-pehezan-teny ao amin’ny tononkalo fitsipi-drafi-pehezan-teny andavanandro
|
Toy izany no atao amin’ny fandrosoana izay mahatsiaro tena no miezaka manatsara ny zavatra ataony mba hahatsara ny fari-piainany. Manentana ny namany izy avy eo mba hanao toa azy sy hiara-misalahy aminy. Ireo no fanalahidin’ny fandrosoana. Amin’izay rehetra atao dia ilaina ny manao fandinihana, ny manao fikarohana. Rehefa vita izany dia mandroso amin’ny famolahana ny tontolo manodidina. Hanaovana fandinihana indray avy eo ny vokatra azo ka raha misy ny lesoka dia miroso amin’ny fanarenana, ny tsara kosa tohizana ka tanana ny hatsarany na eo amin’ny endrika izany na ny hamafy, indrindra ny habetsahana qualité et quantité 3-4-2- ny fanarenana ny fanabeazana
|
Fiarahamonina manakantsakana ny fampivoarana na ny famolavolana ny maha olona? 2.1.2. Eo anivon’ny fiarahamonina
|
Objet hahazoany fahafahana sy fiainana vaovao miaraka amin’i felana zaza natsangany
|
Manokana ny vehivavy miteraka v. A. Tak.163 ranabavy entina ilazan’ny lehilahy ny vehivavy mpiray tam-po aminy na namana akaiky. Tsy maintsy mitandrina, ranabavy, hoy ilay lehilahy tsy fantany akory v. Tak.218 vehivavy iray tam-po amin’ny lehilahy iray15 regis rajemisa raolison, 2003, tak.71 rafozambavy renin’ny vadin’ny zanaka lahy ary angamba aza tao an-tsain’i dina koa ity, dia ny rafozambavy sy ny vinantovavy v. Tak.229 teny ilazana ny ray aman-drenin’ny vady, na izay olona heverina ho tokotokony ho izay, toy ny iray tam-po aminy16 regis rajemisa raolison, 2003, tak.807 vinantovavy vadin’ny zanaka lahy17 regis rajemisa raolison, 2003, tak.1028 .
|
Telozoron ny haifampianarana arak i houssaye
|
Fa fantatro marina hatramin’izao ny lalam-pitiavana ’zay mora taitra mafana izy anio ka tsy mba fantatrao fa ny afak’ampitso dia be haitraitra
|
Toko voalohany 1. Ireo olana samihafa miteraka tsy fahombiazana eo amin ny fampianarana 1.1. Momba ny teny malagasy. 1.1.1. Ho an ny mpampianatra. 1.1.2. Ho an ny mpianatra. 1.2. Momba ny taranja malagasy. 1.2.1. 1.2.2.
|
Lozanao mirehareha amin’ny fananam-bola, 10 ka na dia mividy toerana hahafahana midola; resinao aho androany nefa mbola ho tafarina hofafako ny tomany, mbola hiseho koa ny marina
|
Ny endri-pirafetan’ny tononkalo
|
Raha sendra ny ankaso izy no hanafosafo, indro ilay vady fa manan-kiady.
|
Famaranana
|
Mitaky fifamenoana hetsika eo amin’ny rafitra isan’ambaratonga ny fanandratana vakoka. Manana andraikitra lehibe amin’ny fampianarana ny vahoaka ireo rafitra sy fikambanana tsy miankina isankarazany. Voalohany amin’izany ny fampahafantarana ireo lalàna mifehy ny vakoka sy ny fiarovana azy izay anjaran’ireo fiarahamonim-pirenena. Fomba iray mahomby ny famoahana tahirin-kevitra, na boky na gazety manazava ireo lalàna misy. Sehatra ahafahana miasa amin’izany ny sekoly, ny fokontany, ireo orin’asa miorina anaty tanàna. Ao anatin’izany koa ny fampahafantarana ny olona tsirairay fa adidiny ny miaro sy mikajy ireo vakoka misy ao aminy. Miainga amin’ny fandraisana anjara amin’ny fitsirihana, fanadratana ary ny fikajiana izany. Rehefa mitsangana ary ny rafitra manandratra ny vakoka, omena manaraka eto kosa ny fitaovana mahomby ho fanatrarana ireo tanjona kendrena sy fanatanterahana ny asa.
|
Lettrés avp 1,867 -4,708 297,500 -0,029 -0,083 1,342 -1,525 1,083 1,175 3,717
|
Farany, ampiasainy ho fampahatsiahivana tenin’olona na fomba fiteny efa fandre matetika. Hita izany ao amin’ny baraingo 133.
|
No atao telimoka, tadiavin-kosena.
|
Pédagogie par objectif
|
Raha fehezina izay rehetra izay dia azo lazaina fa anisan’ny fitaovana tsara azo trandrahana ny angon-kevitra avy amin’ny mpianatra. Mila fitandremana sy fahamailoana anefa ny fanaovana izany. Tokony ho olon’ny serasera sy mahafehy tsara ny fifandraisana ny mpampianatra hisafidy ity fomba ity, ary tokony hanana fahalalana ambony ihany koa.
|
Cadre general de la recherche
|
Ny tratrany dia nihantsy ny hatsiaka tamin’ izato akanjo ambony nanara-tena.
|
Zao dia afaka’lay tanindrazako ka rontsoniko indray ny lokanga ’zao dia afaka ’lay tanindrazako ka mitraka ny fo ato anaty ’zao dia afaka ’lay tanindrazako ka ho tapitra hatreo ve ny asa?251
|
Raha vao roa taona monja i monique, dia voatendry hiasa tany antsiranana nandritra ny efa-taona ny rainy. Tany izy no nampidirina an-dakilasy voalohany, raha vao feno enin-taona ny 1975. Rehefa vita ny fe-potoana niasan-drainy tany antsiranana, dia nanomboka nianatra teto antananarivo izy ny taona 1978. 1978-1984 ny taona fahatelo 9è ka hatramin’ny taona fahasivy 3è , dia tao amin’ny sekoly katôlika maria mpanampy etsy soanierana i monique no nianatra. Tao amin’io sekoly io ihany, araka izany no nahazoany ny mari-pahaizana cepe ny taona 1980. Amin’ny maha sekolim-pinoana kristianina azy, dia manome lanja be dia be ny finoana sy ny fankatoavana an’andriamanitra ny mpandraharaha sy mpampianatra rehetra ao. Nozarin’izy ireo ho amin’izany ihany koa ny mpianatra rehetra tao aminy. Araka ny efa voalaza tany aloha, dia tsapan’i monique ho namolavola azy tokoa io sekoly nianarany io, teo amin’ny lafiny finoana. Tamin’ny taona 1985 kosa no nahazoany ny mari-pahaizana bepc. Rehefa izany, dia nanohy nianatra tao amin’ny lycée moderne ampefiloha izy ny kilasy faharoa ka hatramin’ny kilasy famaranana. Ny taona 1989 no nahazoany ny mari-pahaizana baccalauréat maro ireo lalam-piofanana narahiny taorian’izany. Nandalina momba ny fizahan-tany tao amin’ny ambaratonga ambony manokana tao ampefiloha i. N. T. H. Izy. Efa nambara mantsy, fa anisan’ny fialamboly tiany ny mitsangatsangana any amin’ny toerana misy valan-javaboary. Heveriny fa hahita toerana maro samihafa izy, sady afaka mampahafantatra ny hafa ny hakanton’izany toerana izany rehefa tafita amin’io fianarany io. Nianatra momba ny serasera tao amin’ny business and communication tetsy antanimena indray izy nandritra ny roa taona, rehefa nahavita ny fianarany tao amin’ny i. H anisan’ny nanampy azy tamin’ny fahaizana miserasera amin’ny olona ny nidirany tamin’io lalam-piofanana iray io. Marihana fa efa mba nanam-paniriana hanaraka fiofanana momba ny taranja malagasy ihany koa i monique, taorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana baccalauréat tsy dia nankasitrahan’ireo ray aman-dreniny anefa izany, indrindra fa ny rainy. Tsy nanakana ilay fahaiza-mamorona asa soratra efa tao anatiny akory ny fisian’izany trangan-javatra izany.
|
Fa fanahy iniana b
|
Toko iii ny fomba filazan-javatra ijoroan’ny hira ahitana andalana valo ka hatramih’ny roapolo isan’andininy
|
Pierre boiteau, marthe boiteau, lucile allorge-boiteau, dictionnaire des noms malgaches de végétaux, editions alzieu, 1999, p.410 29 idem, p.349 30 idem, p.34 31 idem, p.242 32 idem, p.266
|
Misy koa ny satroka mandrisika, izay manolotra kosa ny lohahevitra
|
Eto dia hita fa eo amin’ny b2 ihany no haabon’ny hairaha omen’ny tanjon’ny fandaharam-pianarana, kanefa ny c. E. C. R dia mbola misy hatramin’ny c2, izany hoe mbola misy dingana roa hafa eo ambonin’ny omen’ny fandaharam-pianarana malagasy. Izany anefa dia mahatonga fahatarana eo amin’ny lafiny fampianarana ny taranja teny malagasy satria tsy mitovy amin’ny hairaha omen’ny taranja teny hafa izany. Raha fintinina an-tsary tahaka izao ireo hairaha mandrafitra ny tanjona ao amin’ny fandaharam-pianarana ireo, ka rehefa nisaina ka naseho tamin’ny alalan’ny taha isan-jato dia toy izano tahan’ireo tanjona sy ny hairaha mifanaraka aminy
|
Tsy lala-migodana ny lalana ombàna raha vonona tokoa 5-hanaiky an’i jesoa !
|
Ii.1.2 ny zanapeo e
|
Ravelojaona, tanindrazana sy firenena ary isika malagasy, imprimerie speciale, anjohy, 1972, tak72. 7 harizo raoelimanana , ny endri-panabeazana araka ny ahitana azy ao amin’ny tantara foronin’i eric ravalisoa fa velona indray , mémoire de capen 2012, tak16
|
Maneho izany fa maro ny seha-pampianarana manome anjara toerana lehibe ny fahazoana heverina ihany koa fa io singa io no mitarika ho amin’ny fampiharana, aorian’izany vao miroso ho amin’ny fandalinana sy ny fandravonana ny mpandranto fahalalana. Vita izany rehetra izany vao misy ny fanombanan-tena manoloana ny fahazoana ilay fahalalana niaingana. Araka izany, ny fahazoana no mampitodika ny saina ho amin’ireo dingana hafa enti-manorina fahalalana.
|
Ny tamberim-peo s , ts , r , o , i , no nampiasaina eto hanehoana ny fihetseham-pon’i miaro noho ny finiavan’i felana mijery azy tsy mijanona. Ny euphonie dia natao hanasongadinana ny fiheveran’i miaro fa sarintsarim-pitiavana araka ny fiheverany no tian’i felana hatao. Ny tamberim-peo koa nefa eto dia miteraka rindram-peo kanto ateraky ny fifandraisan’ny renifeo sy ny zanapeo ao aminy. Nilefitra ihany izy nony farany saingy niezaka nanafina izany tsy ho hitan’i felana ka ho faly izy. Tsikari-drandria anefa ny fihetsik’i miaro toa tsy maha tombina, ka nilazany fa isan’izay mpanimbazimba ny aina tokoa i miaro. Mpanimba satria tsy manome ny hanina sahaza azy dia ny fifaliana sy ny tsikitsiky. Lefona nanindrona ahy ny tenin-drandria tak. 136 .
|
Ny fitsirin’ny fitiavana
|
Ny fokontany antanimena dia iray amin ireo fokontany 34 mandrafitra ny boriborin-tanin antananarivo, izay ao anatin ny faritra analamanga. Io fokontany antanimena io dia mirefy 2 ha sy 500 metatra , ahitana sekitera roa ka ny sekitera laharana voalohany dia mirefy 1ha sy 250 metatra, ary ny sekitera laharana faharoa kosa mirefy 1ha sy 250 metatra. Samy misy mponina avokoa ireo toerana ireo. Toy ny fahita any amin ny tanan-dehibe rehetra dia hita misongadina tokoa ny isan ny mponina ao amin ny fokontany antanimena, ankilany izy afovoan-tanàna ka mahasarika olona maro ny mipetraka ao, andaniny, ao ny fivoaran ny tanàna izay misy ireo tranom-panjakana, sy sekoly, ary ny csb. Eo koa ny firoboroboan ireo fandraharahana madinika azo tanterahina eo an-toerana. Avaratra mifanila amin ny fokontanin ankaditapaka, antsinanana ahitana ny tananan ny behoririka ankaditapaka, atsimo mifanila amin ny cite gare boriborintany voalohany, ary farany ny ao andrefana ahitana ny tanànan ambohibary antanimena. Ny misy ny fiangonana katedraly ôrtôdôksa kosa dia eo anelanelan ny trano mampiely vaovao sy ny s. A. Maxime darieux’ bp 1439, antananarivo. Araka ny fitantaran i mômpera taminay dia ny mety ho antony nisafidianana ny toerana misy ny fiangonana ho ao antanimena dia noho ny tao antanimena tamin izany andro izany ho efa hita fa toerana be mpandalo sy mora hita. Tsara ho marihina fa misy ny olona no milaza io toerana io ho ao behoririka ary io aza no tena mahavantana ny olona, noho izy tena mifanila tanteraka amin ny fokontany behoririka. Saingy ao anatin ny fokontany antanimena izy fa tsy behoririka akory.
|
Michail, la personnalité de l’écrivain et l’évolution, moscou, edition du progrès, 1978 la conception d’une uvre a le plus souvent son origine dans l’observation de la réalité ; dans les impressions que provoquent en l’écrivain les phénomènes de la vie et les évènements sociaux ou historiques , tak 25 184 g bouthoul, les mentalités, de même, elle la mentalité gouverne leurs créations les membres de chaque société car c’est par rapport à elle que se posent leurs problèmes et leurs préoccupations , tak 11
|
Amin’ny faritra misy azy no fahombiazana iorenan’ny fandrosoana. Hoy i riaka tokony hotandreman’ny mpanao asa fampandrosoana ny asa fampandrosoana atao mba hifanentana amin’ny kolontsaina misy ao amin’ilay faritra izay hita fa mora mandray ilay asa fampandrosoana 37
|
Ny fifampitondran’ny ray aman-dreny sy ny zanaka
|
Taf tehamaina mirefotra
|
Fanafohezan-teny
|
Rafitra ny ady teoary niezaka nanohitra i felana saingy resy noho ny hery tsy mitovy. Ary vaky nandositra nony nahazo aina. I miaro kosa nahatsiaro ho maivamaivana rehefa lasa i felana. Falifaly ny fo ary tonitony ny eritreritra. Dia ny antithèse no nanehoan’ny mpanoratra izany toe-javatra nisy teo amin’izy roaizany. Rehefa vita ny fifamaliana dia fahanginana no niainana avy eo. Ny antithèse eto izany dia nentina nampifanatrehana ny toe-javatra roa mifanipaka niainan’i miaro. Rehefa avy nifamaly, nifanandrina ka lasa i felana dia tonga ny fahatoniana, nitsidika ny fifaliana. Nanenika ny tena manontolo izany fifaliana tao amin’i miaro izany ka dia nateriny fa na ny lala-nombana aza tsy nisy tsy nahalala ny hafaliana tao anatiny. Ny hiram-pihobiana anaty moa dia niraondraona nampihovitrovitra ny fitafiako tak. 52 .
|
He ! Manda fiarovana andriamanitsika, ampinga mahatohana izay manjo antsika, mamely fatratra, satana sompatra, mpandoza hatrizay, mpamitaka mahay, tsy manam-paharoa
|
Ny olona levona tsy mba manana na tany na fasana na tantara; tsy misy hifikirana, hifaharana, hoenti-milaza sy manambara ny izao sy izaon’ny fiaviana
|
Dia tadidiko hatrany ary tsoriko fa zary toa nampiova ny fisainako nanafoana ireo tarainako. Ny eja 2002
|
Zana-kevitra
|
Ny trano ry dada mangina tsy misy anao mba hitrerona kanefa raha izahay no tsy tiana mijanona any fa aza miverina!
|
Vata-mangatsiaka sarak’aman’aina no indro manoloana sy hany notsenaina.
|
Fantsona fandehanan ny rano maloto 62 halavany 0,60 sakany
|
Tovo miferinaina be anie ianao izany ry tina e!
|
Ohatra 2 ao am in’ny nofy lalina has ina m ifona aho fa ts y ham erina ints ony ry bebe hary an! 92 em l
|
Jo andrianasolo, le poete de la dualite de la vie
|
Ankoatra ny mpampianatra izay tompona andraikitra voalohany amin’izay mety ho tsy fahombiazan’ny fampianarana, dia tsy afa-miala amin’izany koa ny mpianatra. Miankina aminy ny hahatafita na tsy ny fahalalana aroso. Koa raha tiana ny hanatsara ny fampianarana, dia tokony hialana ireo vato tsy mampahomby ny fianaran’ny mpianatra.
|
Mandresy ny ankaso. 172 b raha miresaka ny momba ny haingam-panahiny indray i niry-solosoa, dia milaza azy ho adala hendry araka ny lohateny nomeny ny tononkalony. Adala hendry satria toa biby adala ilàna fitandremana fatratra ny fananana azy indraindray, kanefa koa biby hendry satria afaka miaritra izay rehetra iainany. Zary mifaningotra hatrany ireo toetrany roa toa mifanohitra ireo. Hoy izy maneho izany ao anatiko ao misy biby adala a
|
Ny haifampianarana no zana-taranja nosafidiana hanaovana asa fikarohana, satria mahatsapa izahay fa manana anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny fampianarana ny taranja malagasy eto madagasikara. Naompana tamin’ny fanatsarana ny boky hoenti-mampianatra izany , ny boky mantsy no fitaovana manan-danja sy tsy afa-misaraka amin’ny mpampianatra indrindra, manomboka any amin’ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony. Midadasika loatra ity sehatra ity ka noferana ho amin’ny lohahevitra hoe fomba famolavolana boky fampianarana literatiora , miainga amin’ny fitsikerana ny boky fary mamy kilasy voalohany nofidiana ny boky fary mamy t11, noho izy boky manana ny maha izy azy amin’ny fampianarana literatiora sy tsy lany hamamiana , kanefa tsy mbola nisy nanao asa fikarohana raha hampahatsiahivina dia ny hananana ary ny hampahazava ireo teboka iaingana amin’ny famoronana boky fampianarana no tanjona tamin’izao asa fikarohana izao, mba hanana boky voarafitra tsara , ka hitiavan’ny mpianatra mamaky boky. Dingana vitsivitsy no nolalovana tamin’ny fanatanterahana ny asa. Lehibe indrindra tamin’ireny ny fitadiavana sy famakiana boky teôrika momba ny boky fampianarana; nisongadina tamin’izany ny bokin’i f. Richaudeau, conception et production des manuels scolaires. Teo koa ny firesahana mivantana tamin’i nalisoa ravalitera izay sady anisan’ny nanoratra ny boky , no talen’ny famoaham-boky edisiona salohy. Tsy nisosa ho azy ny fizotran’ny asa , fa nisy ny olana tsy maintsy nosetraina. Anisan’izany ny tsy fahampian’ny tahirin-kevitra nokirakiraina momba ny lohahevitra nohalalinina, satria vitsy ny boky miresaka momba azy sarotra ihany koa ny nahitana sy ny nakana ny sary izay natao handravahana ny boky ho tohan-desona .
|
Va tak 152 ; and 1-2-3 ; andl 1-27
|
Dinika natao ny volana septambra 2012
|
Ingahifara matahotra aho izany ry zoky elson aza taitaitra foana r’ingahifara a! Randrianoely tsy ny aotomobilin’ingahy ravelonahina ve iry lasa iry? Ingahifara ary toa lasa tokoa izy iry. Elson izay izany no nahatonga an’i edmond chauffeur nampidina ny entantsika teto? Ary dia izy nandroso ery aloha akaikin’ny birao ery. Ingahifara samy voasakana teto ihany, koa ahoana no ahafahany mandeha. Ary mahagaga koa anie nahoana ny aotomobilina no tsy navela nijanona niaraka tamintsika teto? Elson tsy mazava tokoa anie izany e! Randrianoely aza dia mandefa eritreritra lavitra loatra ianareo roalahy aotomobilina va dia azo hajanona manoloana ny fonja? Tamin’izy andeha ho any maroantsetra koa anie ka efa voasakana teto e! Mety ho tadidinareo mpiambin-dàlana izy ka izay no nandefasany azy. Elson andeha atao hoe marina ny teninao randrianoely sady raha tsy en panne tao antanambe koa ny aotomobiliny, tsy nahafantatra antsika izy. Ingahifara tadidio fa fiangaviana no nataontsika taminy mba hitondra antsika. Mety tsy ho andriny ny fanadihadiana izay atao izy no nandehanany.
|
Olivier husson et rakotondramanana, voly rakotra op cit, tak52
|
Akili akili saina e endea endea mamonjy, mihazo a baba baba ray o moto moto afo
|
Norme fenitra o objectif toetra marina hentitra objet iharan’ny hetsika opération linguistique kajy ara-pitsipika opinion hevitra manokana opposant antagonist mpanohitra ouverture fanokafana ny ady hevitra ouverture tari-dresaka famakiana p péjoratif enti-manabanty personne mpandray fitenenana phatique fampifandraisana poétique fanehoana ny kanto posé hevitra apetraka pragmatique linguistique pragmatikan’ny haiteny presupposé hevitra vinaina, vinavinan-kevitra principe de coopération lalànan’ny fiaraha-miasa procès toe-javatra processus inférentiel fanakarana hevitra proche antomotra production verbale vokatry ny fitenenana programme électoral prôgramam-pifidianana progression thématique fivoaran’ny lohahevitra pronom mpisolo anarana propos zava-baovao proposant protagonist mpiandany r récit tantara référence fanondroana référence absolue fanondroana hentitra référence cotextuelle fanondroana mifandray amin’ny hodidina référence déictique fanondroana mifandray amin’ny seha-pitenenana référent tondroina réflexif mifandray amin’ny tenany registre comique endri-pampiontanana mahatsikaiky registre didactique endri-pampiontanana enti-mampianatra registre laudatif endri-pampiontanana mandoka registre littéraire endri-pampiontanana literera registre oratoire endri-pampiontanana enti-mifandahatra registre polémique endri-pampiontanana enti-mifandahatra mahery vaika registre pathétique endri-pampiontanana mahontsa registre tragique endri-pampiontanana mampangitakitaka rencontre fihaonana reportage tatitra représentant teny mpisolo s sémantique haihevi-teny sème singan-kevitra sème énonciatif sandam-panambarana sème évaluatif mari-panombanana séquence seho séquence descriptive seho manoritsoritra séquence dialogale seho ahitana fifampiresahana dinika séquence narrative seho mitantara
|
Miteny fa tsy mamaky izay voasoratra sady mijery ny mpanatrika 1 fahamafisan’ny feo 1 tsy fahadisoan’ny fiteny 1 hafainganam-pitenenana 1 fahaizana misarika ny mpiteny 1 fahaizana mamaly fanontaniana 1 fampiasana fitaovana toy ny solaitrabe 2 kalitaon’ny asa aseho mazava, mampiasa loko 2 fanajana ny fotoana natokana itenenana 1 fahaizana mitsinjara ny fotoana itenenana eo amin’ny mpiray sokajy 1 fitambarany 20
|
Le fokonolona et le pouvoir centre de droit, antananarivo 83
|
Ny fampandraisana anjara dia mifampiankina amin’ny fomba fiasan’ireo singa enti-mitrandraka izany. Anisan’izany ny fikrifama
|
Mahatsapa ho finaritra sy feno fahafinaretana tanteraka ny mpanoratra rehefa miaina miaraka amin’ny olon-tiany. Iza tokoa moa no tsy hahatsiaro fahafinaretana tahaka izany rehefa miara- miaina am-pitiavana? Toy izao ny endriky ny fitiavana asehon’ny mpanoratra ao amin’ny hoe izay tena tia84
|
Ankoatra ny fahaverezan’ny fomba malagasy toy ireo voalaza ireo, dia ao koa ny fahapotehan’ny soatoavina malagasy. 1.2.2.2. Ny fahasimban’ny soatoavina malagasy
|
Resaka nifanaovana tamin-drazafindrasoa odette taranaky ny mponina voalohany teto ambohimanga
|
Miohatra amin’ny hafa. Hoy i michel zeraffa ny tantara foronina no zava-kanto voalohany indrindra maneho ny olombelona eo anivon’ny fiaraha-monina 2 .
|
Amin’ny maha zokiolona, nametrahan’ny fianakaviana fitenenana ahy, dia mamela ahy ianareo hifamara amin’ny dratompok koa satria efa mby amin’ny toerana iandrasana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ianao ratompok. Izany hoe tonga any amin’ny razana sy ny ray aman-dreny, ka mipetraka tsara, mitahia anay sisa fa hatreo ny anjaranao taty. Mandria am-piadanana.
|
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.