text
stringlengths
10
11k
Tsy misy miafina aminao r’ingahy miakanjo fotsy lava izany foko sy fanahy mbola osa sy adala.
Universite d’antananarivo ecole normale superieure departement de la formation initiale c. E. R. Langue et lettres malgaches
Ireo singa miditra an-tsehatra amin’ny famolavolana fandaharam- pianarana maro ny mpandinika nifototra tamin’ny famolavolana fandaharam- pianarana. Ny hevitr’i a. Levy no nasongadina tamin’ny seminera. Hita tao ihany koa ireo teboka lehibe telo iorenan’io famolavolana io.
Fafana fahadimy 5 fafana maneho ny dingana narahin’i hajaina sy ny andraikitra notanany tao amin’ny havatsa u. P. E. M takila 44
Biet. Bighelli et rispail. Litterature 2. Editions magnard. Collection 1989 litteraire. Paris
Source epp antanety i 2018 dans ce cas-ci, le nombre 98 s’est vu réduit en 73 individus entre trois années scolaires. Le graphique nous montre clairement la variation des statistiques pendant la
Avez vous des conseillers ou des entraîneurs pour la pratique du sport asa tany ? Les entraîneurs spécialement pour le sport asa tany n’existe pas encore chez nous, les échanges techniques se limitent seulement entre les pratiquants, mais nous souhaitons d’en avoir parce qu’on trouve l’essentialité de sa présence.
Ny andraikitr’ireo rafitra mpitantana 2.1.2.1. Ny fanjakana manana ny politikan’ny vakoka ny fanjakana, efa eo ihany koa ireo rafitra isan- tsokajiny. Ilaina ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana eo amin’ny fampiharana ireo lalàna sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra mivantana mikarakara ny vakoka. Natao ho an’ny rehetra ny lalàna, noho izany adidin’ny fanjakana ny miantoka ny fampahalalana sy ny fampiharana azy. Na izany aza, tsy ilay lalàna milatsaka avy any ambony no ilaina fa ilay fifanekena niarahana tamin’ny vahoaka araka ny fankatoavana ara-drafitra miainga avy amin’ny fomba fijery ifotony. Andraikitry ny fanjakana koa ny manamora ny fanatanterahana fampihofanana ireo mpisehatra rehetra indrindra ireo vondron’olona ifotony mba ho matihanina amin’ny fitantanana ireo vakoka. Ny fanjakana irery ihany no tompon’ny fanapahan-kevitra rehetra mikasika ny ny fanajariana ny tanàn-dehibe. Takiana amin’ny fanjakana izany ny fakàna ny hevitry ny vahoaka amin’ny fampivoarana kasaina atao ka mahakasika ireo singa rehetra mitahiry ny kolontsaina sy ny tantara eny ifotony mba hanomezan-danja hatrany ny maha izy azy ilay toerana sy ny fiarahamonina misy ao.
Légère supériorité en nombre de filles information et sensibilisation sur la sécurité routière source projet asa soa juillet 2004
Ministère de l’education nationale men fandaharam-pianarana kilasy famaranana sokajy a , c ary sokajy d
De landsheere, in évaluation continue et examens, précis de docimologie, paris, nathan 1975
Lyra sy ny asa sorany nifototra tamin ny famoronana tononkalo izy. Ny fahitany ny fiainan ny mpiara-belona aminy, ny fiainam-pirenena, ny ampaham-piainany manokana, no asehony ao amin ny asa sorany.
Sartre j. P qu’est ce que la littérature ? Editions gallimards. Paris. 1948 374 p
Iarahan ny fehiloha sy lohavohitra manapaka avokoa ny zavatra sy hetsika rehetra tontosaina ao amin ny foko. Iavahan ny fehiloha amin ireo lohavohitra ny fahazoany ny santa- bokatra avy amin ny mponina rehefa fotoana fiakaran ny vokatra. Mari-panajana sy tandindon ny fahefana hananany izany.
Raha izay rehetra izay no bangoina fohy, dia izao no tsapa misy fahasamihafana be eo amin’ireo sekoly roa nojerena na eo amin’ny mpianatra na eo amin’ny mpampianatra na eo amin’ny sekoly amin’ny ankapobeny mihitsy. Azo lazaina fa mahazo tombony kokoa ny mpianatra tao amin’ny lisea nanisana raha mitaha ny ao amin’ny lisea tsiroanomandidy. Izy roa ireo anefa dia samy sekolim-panjakana avokoa. Mety amin’ny maha eto an-drenivohitra ny lisea nanisana no mahatonga azy ahazo tombondahiny eo amin’ny lafiny rehetra. Hita eto avokoa mantsy izay rehetra ilaina indrindra fa eo amin’ny sehatry ny fampianarana toy ny tranom- boky maro, ny fivarotam-boky, ny cyber maro izay hita etsy sy eroa. Ireny rehetra ireny, dia manampy ny mpianatra sy ny mpampianatra avokoa amin’ny fanatontosany ny asany. Tsy mba toy izany kosa ny any tsiroanomandidy, satria tsy misy afa-tsy trano fivarotam-boky iray ary tsy misy trano famakiam-boky sy cyber mba hahazoan’ny mpianatra sy ny mpampianatra mikaroka. Manoloana izany fahasamihafana maro eo amin’ny zava-misy eo an- toerana dia tokony hisy ny fijeren’ny fanjakana ireo sekoly lavitra ny renivohitra. Na izany aza anefa, dia misy ny lafin-javatra iraisan’ireo sekoly roa ireo satria samy misedra olana ny mpampianatra ny taranja malagasy.
Sarotra ny fisarahana amin’ny ray aman-dreny nahalehibe; tsy dia fanambatambazana ny vadivao no ventesin’ny ôsiky amin’ny fanar a a fa filazana ny zava-marina mba tsy hananany hevi-diso. Toy izao ny ventin’ny ôsiky manambara izany tsisy vara-tomoà y anà la iny niany ma avaratra môdy ma atsimo mamangy anà koà tia hôdy miandrà mas va izy io t ka a ny amintsika
Sokajy m mi tsy voafaritra mazava ny zavatra tondroin’ny anarana ao anatin’ny sokajy m mi ny azo antoka dia tsy manondro olona na biby izy ireo. Betsaka amin’ny anarana ao anatin’ny sokajy no manondro zava-maniry. Ohatra m-ti hazo tokana mi-ti hazo maro m-tende atsendry tokana mi-tende atsendry maro misy ny manondro zavatra tsy manan’aina. Ohatra
Famaritana araka ny rakibolana sy ny internet araka ny rakibolana robert ny tantara foronina dia asa soratra tsotra noforonin’ny eritreritra, lava ary maneho ny zava-misy iainana tao amin’ny toerana na faritra iray, aseho ho toy ny tena nisy ny mpandry anjara ao satria ny tantara aseho no ahatarafana ny fomba fisainany, ahafantarana ny toetrany sy ny zava-kendreny ary ny lalana nodiaviny tamin’ny fanatrarana izany 17. Hoy indray ny larousse ny tantara foronina dia karazana asa soratra noforonin’ny saina, lahatsoratra tsotra mifototra amin’ny fitantarana trangan-javatra iray. Mety fandalinana tantaram-piaviana na toetoetran’olona, mety famahavahana fihetseham-po na nofinofy, ary mety ho anganongano fotsiny ihany 18. Araka ny internet kosa ny atao hoe tantara foronina dia asa soratra tsotra, lava be, izay no iavahany amin’ny sombin-tantara maneho toe-javatra mampitolagaga na eo amin’ny mpandray anjara na amin’ny zavatra tantaraina. Voasoratra hatrany am- piandohana, ary natokana ho an’ny olona mahay mamaky teny sy manoratra. Izay rahateo no mampiavaka azy amin’ny angano izay nampitaina tamin’ny alalan’ny lovan-tsofina fotsiny 19.
Régis rajemisa raolison, rakibolana, op. Cit. , tak 76 régis rajemisa raolison, rakibolana, op. , tak 77 siméon rajaona, zava-kanto vita amin’ny teny, op. , tak
Mametraka ny fiainany amin’andriamanitra izy. Iriny ny hampitoniana ny fitarainany. Koa dia ankininy amin’andriamanitra ny manjo azy. Anisan’ny tara-kevitra voizin’ny r. Fidimanantsoa ihany koa, araka izany ny fiantorahana amin’andriamanitra. Azo heverina ho vokatry ny lafika tokana ihany izany.
Sarin’ anjely, nozavazavariko nataoko ho malala, nomeko ny sariko no naniry tandroka hanoto ny foko nampitomany sy nampitoloko
Toeram-pivavahana
Eo amin’ny fivoaran’ny teny nusu ’nusu ho loso ’lusu , azo heverina fa nisy ny fifanalaviram-peo nanalavi-tena ny renifeo n ka nivadika ho l ny teny loso dia saika tsy miasa raha tsy eo amin’ny fanisam-bola. Ohatra, fiteny ny hoe ariary sy loso ariarary sy antsasaky ny ariary .
Ny épano de ny épanode dia tam berim -boan-teny na andian-teny na fehezanteny entina mandoko, m am pivohitra na toetra, na toe-ts aina, na toe- panahy, na hevitra, na fihe tsika mibahan-toerana ao amin’ilay olona miteny na ite nenana, na resahina ka m is eho, mipoipoitra e tsy sy eroa, ts y hay tohaina, amin’ny toerana m aro samihafa tsy voafetra dieny mialoha. 105
Raha fintinina dia hita fa nanana fihetsika hafahafa nateraky ny zava-nisy niainany ny mpanoratra taminrity vanim-potoana ity. Toa olona tsy manana fanantenana ny ankamaroany, tsy afa-po mihitsy aminrizay zava-misy manodidina azy, olona te hitady toeran-kafa na zavatra hafa mba azo ianteherana. Na izany aza anefa, dia azo lazaina fa anisanrny vanim- potoana namirapiratanrny literatiora malagasy ity vanim-potoana ity, satria betsaka ny mpanoratra nalaza teto. Mahakasika ny tombana kosa no hojerena farany ato anatinrny fizarana voalohany.
Teo amin’ny vontoatin’ny fampianarana, nirosoana ny fanagasiana. Narindra hifanaraka amin’ny zava-misy sy izay ilain’ny firenena ny fandaharam-pianarana. Nampidirina tao amin’ny fandaharam-pianaran’ny fampianarana ankapobeny ny fianarana ny momba an’i madagasikara. Nianarana tao ny tantara sy jeôgirafian’i madagasikara. Nanampy izany koa anefa ny tantaran’ny firenena hafa toa an’i frantsa, etazonia, urss, satria mifandray amin’ny firenen-kafa i madagasikara. Nianarana tao amin’ny taranja malagasy ny fomba amam-panao malagasy fahaterahana, famorana, fanambadiana, fahafatesana, famadihana sns. Noraisina ho teny enti-mampianatra ny taranja rehetra ny teny malagasy mba hahatafita an-tsakany sy an-davany ny fahalalana amin’ny mpianatra. Tanteraka ilay fanambaran’ny unesco izay mitaky ny hanabeazana ny zaza amin’ny fiteny nibadany.73 ny teny malagasy no nentina nampianatra tany amin’ny sff sy saff; ny teny frantsay kosa tany amin’ny safm sy ny oniversite. Ampiasaina ny teny malagasy, satria, antoky ny maha firenena mahaleo tena izany eo anatrehan’izao tontolo izao. Manankarena rahateo moa ny teny malagasy ka azo ampitana hevitra tsara. Araka izany, nezahina ny hampifanaraka ny rafi-pampianarana amin’ny zava-misy eto madagasikara izay ilain’ny vahoaka malagasy. Nisy ihany anefa ny lesoka. 1.2.1.4 ny lesoka sy ny vokany
Reniny izany nts ! Oay ! Mamindra aleo aloha ho atsy an-dakozia atsy amin- drabaofy atsy. Mikohaka kely efa masaka ve ny sakafontsika ato rabôfy fa hoatrany noana izany ny bandy a ? Ao an-dakozia miora mivazivazy enjehin-dramaria ny zanako ? Fa inona koa izao ity nahamora noana an’i sedra teo kah ? Sedra ssssh ! Rehefa noana dia noana ry mama fa tsisy an’izany inona izany intsony a ! Raha tsorina ny resaka dia reraky ny niraoziraozy ny bandy e ! Miora fa ahoana tokoa ity ianao tsy maninon-tsy maninona ity fotsiny e ? Lazainao fa tsy te hianatra intsony ianao kanefa koa tsy mihevitra izay hitady asa. Sedra mianjona dia mijanona ho tsy an’ny atsy tsy an’ny aroa aloha kouh! Neutre hoy ny teny vahiny. Miora ô ry sedra a ! Mba sehatra hafa ahay anaovana an’izany fa tsy amin’ity fiananao vao misandratra. Sedra manazava ssssh, mba nitetika kala be ho bacc 12 ihany ange aho ry mama saingy tapaka ny fianaranay e. Dia efa nitady asa koa aho efa ho telo volana izao saingy tsy nahita varavaran’orinasa. Miora eny e ! Tsy fidiny aloha ny anao e. Soa koa fa mba tsara karama ingahy ratefy hamelomana antsika. Sedra oay ! Ireto lamba malotoko ireto aloha mba sasao kely ry mama a ! Miora ndry ! Fa maninona raha tonga dia omenao an’ikala vesa mpiasantsika any ireo e! Sedra somary sosotra sssh ! Aza atao an’izany kosa ilay zanak’olona lehiretsy a. Mba antsoy amin’ny anarany izy hoe nekena. Miora ianao ity toa miaro azy hoatran’ny rainao kouh mibaiko eny e ! Tonga dia omeo azy ireo akanjonao ireo hosasany dieny izao e. Tokony ho voasasany ireo mandrapam-pisakafontsika avy eo. Sedra be saina ô rabaofy a ! Aiza àry ilay fitsinjovana olona aminareo izy ve asaina manasa lamba kanefa isika hisakafo ? Miora mamaly ka hiray latabatra amin’ny mpiasa izany ianao ? Sady ny mpiasa ry sedra tsy maintsy ampiasaina foana a ! Sedra miseho ho be moral ka aiza amin’izany ny fanajàna ny zon’olombelona? Kodiaran-tsarety ange ny fiainana sendra ka ianao indray no mba hataon’ny olona an’izany e !
Ny malagasy mahafehy ny teny frantsay sy ny teny malagasy miaraka, dia tsy tokony hampiasa teny bemiray izay maneho ny mifanohitra amin’ny fahafehezana ny teny tsirairay. Ny mpanafangaro teny samy hafa dia ireo tsy mahay azy roa sady tsy mahafehy ny momba ny teny tsirairay, no tsy mahafehy ny fomba fampiasana azy araka ny seha-pitenenana ny olona itenenana ; ny toerana sy ny fotoana ilana azy. Ohatra tsy ireo olona tsy nianatra any ambanivohitra mihitsy no itenenana teny frantsay fa hanafintohina azy sy heveriny ho fanambaniana azy izany. Ka ny fampifangaroana teny izay antsoin’i hagege hoe semi-linguisme dia maneho ny tsy fahafehezana ny teny tsirairay.17 noho izany, ny fepetra maneho ny fahafehezana teny roa dia ny fahaiza- mampiasa azy tsara ara-pitsipika sy amin’ny seha-pitenenana ilana azy. Fitaovana enti-mifandray amin’olona ny teny, noho izany ny mahafehy teny roa dia hampiasa azy tsirairay hifandraisana amin’ny olona, na ny iray firenena aminy na ny hafa firenena koa. Mitaky fanajana ny maha-izy azy ny teny tsirairay ny fampiasana izany, na eo amin’ny lafiny hevitra na eo amin’ny lafiny fomba filazana, na eo amin’ny lafiny fitsipika sy fanononana. Ary tsy adino ny fanarahana ny kolontsain’ny firenen’ny tompon-teny izay aseho amin’ny alalan’ny teny.
Araka io kisary hitantsika eo ambony io dia ny proviseur no mpiandraikitra ny toe-draharaha voalohany indrindra. Izy no manana ny fahefana ambony indrindra eo anivon’ny sekoly ho an’ny ambaratonga faharoa sady tompon’ny fanapahan-kevitra farany ihany koa. Izy no miandraikitra ny fifandraisan’ny sekoly amin’ny any ivelany. Araka izany, izy no manelanelana ny sekoly iandraiketany amin’ireo rafitra ao ambony toy ny cisco na dren na men. Ankoatra izay, izy no misahana ny fitantanana ny ara-bola hampandehanana ny sekoly. Eo amin’ny fananganana ny foto- drafitrasa sy ny fividianana ny fitaovana ilain’ny sekoly dia izy no mametra izany. Manara-maso ankapobeny ny fizotran’ny asa ao anatiny ihany koa anefa ny proviseur anisan’ny mpiara-miasa akaiky manaraka azy ao ny proviseur adjoint pa sy ny mpitam-bola. Iry voalohany dia manampy ny talen-tsekoly eo amin’ny fampandehanana ny antsipirian’ny asa fampianarana eo anivon’ny sekoly toy ny fandrindram-potoanan’ireo mpampianatra tsirairay sy ny mpianatra, manara-maso ny fahavitan’ny mpampianatra ny fandaharam- pianarana izy ihany koa no mpitantana lefitra izany hoe afaka misolo toerana ny talen-tsekoly raha misy tsy maha eo azy. Ilay faharoa kosa indray dia mpitam-bolan’ny sekoly no tena asany. Tsy mitahiry ny vola any an- tranony akory izy fa manao ny tatitra rehetra mikasika ny fanangonana na famoaham-bola atao. Rehefa fotoanan’ny fampidirana mpianatra ihany koa dia izy no mandray ny vola. Mandrakitra an-tsoratra izay lafin- javatra rehetra misy vola ny econome ny vola dia tahirizina ao amin’ny kaontin’ny sekoly ary ny talen-tsekoly ihany no maka izany amin’ny fotoana ilana azy. Anisan’ny mifandray mivantana amin’ny pa ny cdi, ny sg, ny mpampianatra, ary ny mpianatra. Izy no manao ny fandaminana ny asan’izy ireo toy ny fandaharam-potoana emploi du temps ohatra. Ankoatra izay, raha misy ny olana eo amin’ny mpianatra tsy voavaha any amin’ny surveillant dia ny filoha lefitra no atonina.
Boa banque of africa sady mitahiry ny volan’ny mponina izy ireo amin’izany no manampy azy koa amin’izay vinavina ananany amin’ny alalan’ny fampisamboram-bola mitaky antoka. Ireo mpikambana ihany no afaka manao izany, nefa ny olona rehetra dia afaka mirotsaka ho mpikambana avokoa. Fid fonds d’intervention pour le développement mamatsy vola ho amin’ny fananganana foto-drafitra asa toy ny sekoly, toeram- pitsaboana misy fandraisana anjara kely ataon’ny olona mahazo tombontsoa amin’izany asa izany. Pssa programme social pour la sécurité alimentaire miasa amin’ny alalan’ny seecaline ary ny fikambanana adm association pour le développement de manjakandriana miasa ho amin’ny fanampiana ny renim-pianakaviana amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo mahandro karazan- tsakafo isan-karazany mba hiarovana ny zaza amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Efa an-dalam-pahafatesana koa izany tetika asa izany ankehitriny noho ny fahatapahan’ny famatsiam- bola avy any amin’ny fao foods and alimentaires organisation fisa fianakaviana sambatra miandraikitra ny fampianarana ny mponina ho amin’ny fandrindram-piterahana nac nutrition assise communautaire manohana ara-tsakafo ny zaza latsaky ny dimy taona ary manara-maso ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ao amin’ny fokontanin’anosimanarivo masera notre dame de lourdes mivarotra fanafody sy mampianatra ny vehivavy manjaitra mpamafy fanentanana ny olona amin’ny fanaparitahana ny tenin’andriamanitra, miorina ao amin’ny fokontanin’antsahamalaza imadisoa fikambanana mikarakara momba ny tatatr’imady, manomboka any amin’ny fokontanin’ambohimahandry ka hatrany anosimanarivo tam-tam tanora mivondrona tanàna mandroso fikambanana misahana ny fampiroboroboana ny tanàna, afaka misahana karazana asa maro izy amin’izany ary ny fampiroboroboana ny fanatanjahan-tena no tena nosahaniny tato ho ato
Ny masoandro , in gazety masoandro, taona 1, lah. 1, zoma 14 oktobra 1910
Firenena manana ny fomba amam-panao mampiavaka azy ny malagasy
Ny beazobe dia ireo anakavy amin-dreny na ireo vadin-dehilahy efa maty vady ka tsy manambadyintsony ary mipetraka eo an-tanàna. Manodidina ny 45 ka hatramin’ny 70 taona eo ho eo. Izy ireo no tomponandraikitra amin’ny fampandehanana ny raharaha rehetra eo an-tanàna na amin’ny tsara izany na amin’ny ratsy. Izy ireo ihany koa no mandeha modimandry, izany hoe, mandeha mamonjy fahoriana mamonjy hafaliana na any an-toeran-kafa amin’ny alina ohatra amin’ny hasoavana dia izy ireo no manamasaka ny ao an-dapa mandrapahatapitry ny lanonana, manatanteraka ny dingana rehetra amin’ny fombafomba atao. Amin’ny fahoriana indray dia izy ireo no midobòka mipetraka an-tranom-bavy trano natokana hipetrahan’ny vehivavy mandritra ny fiandrasam-paty , mpandrandrana ny volon’ny maty raha vehivavy, mampandro ny faty, manatanteraka ny fombafomba hafa ihany koa, mandeha mamonjy hasoavana na fahoriana miaraka amin’ny lehilahy sy izay vadin-dehilahy mety mandeha amin’ny andro antoandro.
Harena sarobidy ary manana ny hasiny ny fanabeazana teo ny mondron-kery lanin’ny mpanabe nanatanteraka ny asa fampianarana. Teo koa ny fikelezan’ain’ny beazina. Ary farany, nisy koa ny fahalalana notovozina tamin’ny alalan’ny vaky boky, ary ao koa ny vokatry ny fifandraisana amin’ny manodidina sy ny zavaboaary. Azo lazaina fa loharanon-kafaliana izy. Ambonin’izay, vokatry ny fiezahana sy ny fikirizana ny fanabeazana. Ny tsirairay dia miaina eo anivon’ny fiarahamonina, misedra sakana sy olana maro. Ny fahaizana miala amin’ireny no mahatafita amin’ny tanjona irina any am-parany. Mitondra fanabeazana ny anatra notsoahana tamin’ireny
Andafy. Ratsy toetra izy ary tsy tia mainty hoditra, noho izany dia nataony avokoa izay fomba rehetra tsy hihaonan- drazanajaza tamin- janany. Tao ihany koa ireo mpitondra fivavahana sy ireo masera mpanabe teto andrenivohitra izay nanamasina ny fanambadian- drazanajaza mivady, sy nampianatra an’ i hubert kely. Sns
Ny fomba fiteny hoe ny fanahy no olona eto no entin’ny mpiteny mamapanaiky avy hatrany ny itenenana fa ny vehivavy manam-panahy an-dalana no tsara sy mendrika alaina ho namana hanorin-tokantrano satria zava-poana ny fanana hatsaran-tarehy amam-bika raha tsy ao ny fananam-panahy.
Efa omena andiam-panontaniana mialoha izy ireo amin’izany. Toy izao no mety ho endriny fanontaniana mitarika ny mpianatra hamaky ny soratra ao anatin’ny toerana
Aminao manokana, tafita any aminao ve ny hafatra ampitain’ny ratia?
Rajaona, s. 1994 takelaka voavaofy, ambozontany antananarivo, 149 tak.
Lovako t.1o, tak. 40- 41
Lx michel andrianarahinjaka, le système littéraire betsileo ; la liberté est une des conditions nécessaires de la création littéraire fianarantsoa, 1987, tak. 195. 71 rakotondralambo niaina, op, cit. Tak. 28. 72 razafimahefa fidy, mpiasan’ny kaominina ao arivonimamo, efa misotro ronono, mpikabary ihany koa. 73 razafimahefa fidy cf. Supra notes 73.
Ny ankizy tokoa, zana-kazo ambolena tandremo mihitsy! Kendreo ny fijorony mba tsy hivena, fa rehefa lehibe izy dia sarotra hahitsy.
Ny rijam-panontaniana momba ny famelabelaran-kevitra dia mikendry ny hamantarana ny faharisihan’ny mpianatra manoloana ity asa ity.
Ireo karazana asa soratra nataoko amin’ny maha-mpanoratra sady mpanabe ahy dia tsy tononkalo ihany no nosoratako; fa misandrahaka amin’ireo karazana literatiora maro koa ny asa soratro, toy ny tononkalo, sombin-tantara, ny angano, ny tantara an-tsehatra sy tantara fandefa amin’ny onjam-peo 1.2.2.1 ny tononkalo poezia poezia toetran’ny zavatra mampisondrotra fanahy na mampamelovelo ny fo sy ny saina 31, araka ny hita ao amin’ny rakibolana malagasy. Izany hoe, ahitana toetra mampanembonembona sy mandefa ny fisainana ho lasa lavitra, hisaintsaina lalina ary manetsika ny fo ny poezia. Maneho ny hevitra ao anatin’ny olona, izay nasian’ny mpanoratra fanamboarana ny teny, hahafinaritra ny olona ihany koa ny tononkalo. Manamafy izany i rado ka nilaza fa, ny tononkalo dia taratry ny fo sy ny fisainan’ny olona notanehan’ny mpanao tononkalo tamin’ny kanto ary nampalesiny amin’ny rindra mampitolagaga 32 fanehoan’ny poety ny fihetseham-po sy ny hevitra amin’ny alalan’ny teny voakaly sy mirindra ka tonga kanto, araka izany, no antsoina hoe, poezia. Tsy tononkalo ihany no nosoratako, fa ireo karazana literatiora hafa koa, toy, ny angano, ny sombin-tantara, ny tanatara tsangana sy ny tantara fandefa amin’ny onjam-peo, 1.2.2.2 ny angano sy ny sombin-tantara ny angano
Avy any an-trano, ka hatrany am-piangonana. Eny hatrany amin ny trano fisakafoana, nisaloran-tsiky avokoa ny fianakaviana. Tak 30 ny hôpitaly nitsaboana an i miaro, fony izy narary teny am-ponja.
Ity sampana ity dia mikendry ny hamolavolana tekinisianina manana ny mahaizy azy ary afaka manangana orinasa ho azy manokana efa manaraka ny rafitra lmd2 napetraky ny minisiteran’ny fampianarana.
Ny gazety ambioka, lah.42, janoary 2002, taona fahadimy fanasina, lah.539, 15 feboroary 1968 feon’ny merina, lah.259, alakamisy 29 jolay 1999, taona fahafito, tak.4 tribune, lah.1.241, zoma 10 mey 1996 lah.1.242, talata 26 janoary 1993, tak.11 lah.1.568, 22 feboroary 1997, tak.7 valiha, lah.26, 30 apirily 1994, tak.2 lah.41, 29 jolay 1995
Raha toa mipenimpenina tsy hoe; latsain’ny nenina fa nofo sanganehana mitady fianteherana ho kitro hifahara ’lay vatolampy tsara.
Tsy ny mpanoratra ihany no manana io fomba fiheverana io, fa eo ihany koa ny fomba fijery malagasy manao hoe tsy misy tanora izay tsy hijihana fa rehefa antitra miady lohalika amin’ity asa soratra ity izy dia maneho ny hafenoana amin’ny vehivavy iray. Tanisainy ao
Ohatra farafara ? Fara
Andriamanantena célestin valiha, lah 33,26 novambre 1994
Zefa tsy mpitsikilo izany aho ry nenibe fa olona mba liana amina toe-javatra tiako hahazoam-baliny a!
Andrianjafy rain’i nary
Ny fanabeazana miainga amin’ny hevi-dehibe sy ny vontoatin’ny tantara, ary ny hafatra sy ny fahendrena voizin’ny fanabeazana resahin’ny mpanoratra. Ny fizarana fahatelo sady farany , no nanasongadinana ireo endrika hafa nanehoan’iharilanto patrick andriamangatiana ny fanabeazana, ary ny fampifandraisana izany amin’ny fandaharam-pianarana. Hita ao anatin’izany, ny atao hoe fandaharam-pianarana, ny lohahevitra fandaharam-pianarana vitsivitsy hita taratra ao amin’ny boky vakivakim-piainana sy onjam-pilafila, ary santionana takela- panomanan-desona miainga avy amin’ireo tantara foronina ireo.
Ambonin’ireo, samy manana ny anjara asany amin’ny fandrantoam-pahalalana ny atidoha havia sy havanan’ny olona. Amin’ny ankapobeny, araka ny fandinihana nataon’i tony buzan dia ny atidoha ankavian’ny olona no tena miasa fa ny ankavanana tsy dia miasa firy. Izany no antony namoronany ny kisary mandranitra saina na mind mapping izay natao indrindra itrandrahana ireo tsilontsaina ao amin’ny beazina, manaraka ny fomba fiasan’ny atidoha manontolo. Toy izao ny kisary maneho izany 39
Misy fenitra tratrarina amin’ny fanorenana ny tranon’akoho manatodilava. Voalohany, tokony ho toerana milamina no iompiana azy. Tontolo tsy misy tabataba matetika. Ohatra, toerana tsy manakaiky orinasa na arabe maro fiara mifamezivezy. Ny zavatra rehetra mety hisy feo mafy dia tokony hampa- nalavirina ny tranon’ny akoho manatodilava fa mampisy fikorontanana eo amin’ny fanatodizany izany.
Kanefa izao dia tsaroako fa hay fa raha tsy nanafay ’zay dadako izay ho loza sy atambo no nanjo ahy fa ho badolahy tsy ary fanahy ! Ry dada sy neny, raha sitrakareo, ’ty hirako ekeo
Naparitak’ireo tany matanjaka ny teniny. Manamafy orina ny fahefany izany. Araka izany, dia nitsangana ny vondrom-pirenena mampiasa teny iraisana toy ny tany miteny frantsay na pays francophones sy ny tany miteny anglisy na pays anglophones niara-naparitany tamin’ny teniny ny kolontsainy, toy ny hira, dihy, fomba fitafy nanampy tosika izany moramora ny fanatontolona na mondialisation mitombo ny mponina manerana izao tontolo izao. Ny asa anefa mihena, noho ny fikarohana samihafa, satria saika ny milina daholo no manao ny raharaha rehatra. Hafakely anefa ny fomba niatrehan’ny firenena tatsinanana ny fampihenana izany fitombon’ny mponina izany nomeny alalana ny vehivavy ao aminy hanala zaza, nomena loka ny mpivady vitsy zanaka indrindra. Fanta-daza tamin’izany i chine. Manohitra tanteraka amin’ny fitandrovana ny zon’olombelona anefa io lalàn’ny fanalan-jaza io. Mitsipaka rahateo ny lalàn’ny fiangonana kristianina ihany koa .
Amin’ny polyptote , dia foto-teny iray no miverina, na miova endrika na tsy miova endrika, ao anaty fehezan-teny tokana. Mampiasa izany i niry-solosoa ao amin’ny boky tonta iray etsy, roa eroa; telo dia asa! Laona sy fanoto ary koa sahafa; korirariram-penina tsy mety ho voafafa, fiainana hasambarana fiainan-jafajafa 211 miverina indroa ao amin’ny andalana fahaefatra ao amin’ny andinin-tononkalo io ny teny hoe fiainana izany dia anantitranteran’i niry-solosoa amin’ny mpamaky, fa ny endri- piainana rehetra no asehon’ny mpanoratra any anaty asa sorany. Tsikaritry ny mpanoratra avokoa, na ny fifaliana iainan’ny olona, na ny fahoriana mianjady aminy. Manamafy ny maha olon’ny fiaraha-monina azy ireo izany, no sady mampiharihary ny hasarobidin’ ny asany. Mampiasa ity karazan-tsarin-teny ity ihany koa i niry-solosoa, raha maneho ao anaty asa sorany ny vokatry ny vahaolana raisin’ny olona sasany manoloana ny fahantrana. Asa maizina vao mainka mampahantra ny firenena anefa izany matetika, hany ka tsy mahagaga raha mihamahantra hatrany ny firenena. Ireny olona ireny no ambaran’ny mpanoratra fa manondrana averiny im-betsaka ao amin’ity andinin- tononkalo ity io teny io hanizingizinany ny fisian’izany tranga izany fatotra amam-pondrana
Izay ny mikasika ny fanoharana naorina tamin’ny zavatra manana aina. Fa ny manaraka eto kosa indray dia hijery manokana ny fanoharana naorina amin’ny zavatra tsy manana aina isika.
Manamafy orina ny fihavanana sy ny firaisankina satria ahazoan’ny mpianakavy mihaona sy mifamela raha toa ka misy disadisa.
Manana faharetana
Ho inonao ny fahalasanany hoy ilay diso fanantena mbola maro ireo taranany tsongoy ny fo ’ty fon’ny tena
Ny miafina eto dia midika tsy fantatra, takona, tsy hita, mihen-danja, tandindonin-doza.
Ny fifandraisana akaiky eo amin’ny sanda iraisan’ny itenenana sy ny fihetseham-po ny fihetseham-po dia fototra iorenan’ilay ambaratongam-pitiavan’ny olona ary iraketany ihany koa ny heviny mahakasika zavatra iray iriany sy antenainy arovana. Mampivaingana ny sanda iraisana izy araka izany satria ny sanda iraisan’ny itenenana no mamaritra ny fombafomba fiainan’iy ireo ao amin’ny fiarahamonina ka mampifandray azy. Ankoatra izay dia ny fihetseham-po ihany koa no manavaka ny tsirairay satria izy no ahafahany manavaka izay iandaniany sy tsipahiny. Manamarina izany ity ohatra ity ohatra afrika dinitra, tak. 88, andl. 38-41 ary matokia fa ao izaho ’lay rahalahinao hanipy tady, handefa antsy ary vato hitorahana ireto fahavalontsika, mba hisian’ny fahafahana.
Ny teny fanolorana izay nataon i dokotera c. Rabenoro, filohan ny akademiam-pirenena malagasy no ao amin ny takila manaraka. Ary ao aorian ireo takila roa voalaza teo ireo vao tena manomboka ny fitantarana ny fiainan i tsiresy, izay mpandray anjara fototra ato anatin ity rehitra hambom-po ity. Andeha hodinganina ireo takila maromaro mirakitra ny fitantarana, fa avy hatrany dia any amin ny faramparan ny boky no hojerena. Ao amin ny takila faha 78 dia misy ny mombamomba ny boky ny lohateniny, ny laharan ny fanontana azy, ny isan ny takila mandrafitra ny boky, ny toerana sy ny taona namoahana azy, ny isan ny boky natonta, ny tena anaran ny mpanoratra, ny adiresin ny mpanoratra sy ny laharana finday ahazoana azy, ny anaran ny mpiandraikitra tamin ny fanatontosana ny fonon ny boky, ary ny anaran ny mpanoratra no mamarana azy. Manaraka ny filazalazana ny endriky ny boky rehitra hambom-po, dia hojerena avy hatrany ny vontoatin ny tantara. 2.1.2 ny vontoatiny
Famelabelaran-kevitra
Topy maso topy maso iray manjola, lonilony no raiketiny ; ny topy maso feno angola, hasambarana no entiny.
Amô zaza koa ale iao ô amô zaza koa ale iao ô mafy arô tsy mana a asiena e mararirary aby ny e a e ia ahary arô mandidy e amô zaza koa ale iao ô mafy arô tsy mana a asiena e mararirary aby ny e a e ia ahary arô mandidy e amô zaza koa ale amô zaza koa ale.
Ny foko babonao saika lasa adala efa niova izy izao efa lasa mpankahala
Miankina amin’ny fiheveran’ny olona tsirairay ny loharanon’aretiny ny olona ampitany ny hafatra. Ho an’i a, ohatra, mifandray amin’ny tsy fananana namana raikitra ny famaritana faobe hoe nareo ; ho an’i d, azo adika ho firehana hiova fomba fifandraisana ny tsy famaliany resaka. Heverina ho mitodika kokoa any amin’ny olon-tsy fantatra nampiditra ny aretina ny tranga a sy e libido érotique izay tsy nahenoana fiampangana mivantana sokajin’olona.
Ho an’ny vehivavy dia ireto no fitondra mamangy fahoriana teo amin’ny fomba ntaolo akanjo fitena, lambahoany, satroka hevitra maro no tiana hasongadina amin’izany tsy aharaisan-damba141ny fahafatesana. Izany hoe tampoka, ka tsy ahafahana miomana mialoha ny fotoana hamonjena azy. Heverina ho haingo ihany koa ny fitafy madio, ka tsy azo entina mamangy fahoriana. Ny sikina142 sy ny satroka dia fitafy maotina ho an’ny anta ala. Ho an’ny lehilahy dia ireto no fitafiana fitondra mamangy fahoriana malabary na izay akanjo fanao andavanandro, salampina, satroka, tehina. Misy dikany avokoa ireo fa tsy mandeha ho azy tsy akory. Maneho indrindra ny maha malagasy ny malabary. Maotina sy mihaja ihany koa izy io. Midika ho fanajana ny olon-dehibe ny salampina. Fanehoana alahelo ihany koa ity fitafy ity. Midika fahamatorana ny tehina. Tsy misaraka aman-tehina rahateo ny anta ala rehefa mandeha. Tsy nekena ho fitondra mamangy fahoriana ihany koa ny fitafiana miloko marevaka indrindra ny mena. Nosokajiana ho lokom-pifaliana ireny ho an’ny sarambabem- bahoaka. Ny tangalamena kosa anefa dia afaka manao izany mba hampiavaka azy sy hanehoana ny fahefana ananany. Fanajana ny mpitan-kazomanga rahateo koa ny lamba mena.
Ny fitaterana sy ny fitaovam-pifandraisana a ny fitaterana an-tanety ity karazam-pitaterana ity no tena miasa sy ampiasain’ny mponina ao amin’ny faritra alaotra mangoro sy ireo makany. Araka ny fanadihadiana nataon’ny cream dia ahitana koperativa miisa 60 tamin’ny taona 2009. Io isa io no manome ny salan’isa 8,8 ny isan’ny koperativam-pitaterana eo amin’ny sehatra nasionaly. Ao amin’ny distrikan’anosibe an’ala no tena vitsy ny isan’ny koperativa satria tsy misy afa tsy 2 monja izany any an-toerana. Loharanon-kevitra vpei cream monographie 2009 2.3.4.3. Ny paositra sy ny fifandraisan-davitra a ny paositra ny salan’isa ny kaominina ao amin’ny faritra alaotra mangoro izay manana ivon-toeran’ny paositra paoma dia 30,4 vitsy anefa izany salan’isa izany raha ny paositra tsy miankina no resahina 3,8
Ry sakaiza,
Fandokoana ny zavaboary amin’ny alalan’ny teny; izay hita eo amin’ny andininy fahefatra fitomaratry ny andro, fiposahan’ny masoandro, fiavin’ny tsirin’andro. Asehon’ny mpanoratra ny fahavelomana sy ny fifohazana manome lanja ny aina mampifoha ny manana aina mampandretsika ny eny tontolo rehetra eny. Hita ho miaina tanteraka ny zavaboary taorian’ny torimason’ny alina raha hita maneno ny voron-tsorohitra misorona tapak’ahitra vao maraina; tazana mivoaka ny voronkely mitsiaka mitsiaka; ny vonintsiazonafo manelatra mitapy andro; ny voronandrano mihira;
Maîtrise ès-lettres département de langue et lettres malgaches
Tovana laharana 8
Ndeha àry ho dinihina manaraka ny fampiasan’ny mpanoratra ny sarinteny, ka asongadina amin’izany ny fahaizan’ny mpanoratra milalao izany.
Malok’ ila 1-5 pasitera na rakoto lahy mpitandrina ao amin’ny fiangonana iray eny ambanivohitra antonony tia mandamina, be fandeferana, tsotra, hentitra fafana 7 maneho ny mombamomba ny mpandray anjara fototra fanazavana ny fafana raha atao indray mijery io fafana io, dia voamarika fa mirona betsaka any amin’ny anarana gasy ny mpanoratra. Ireny anarana ireny koa dia azo lazaina fa anaran’olona misy eo amin’ny fiarahamonina. Raisin’ny mpanoratra ireny satria olombelona miara- miaina amin’ny olona mpiray tanindrazana aminy ny mpanoratra 60. Araka izany, dia maro no iheverina ny mpandray anjara fototra tokony ho mendrika, hanana hery, hivelatra ao anatin’ny fiainana, ary hahay handefitra hatrany, hipetraka amin’ny toeran’ny olona mahatoky, ho hentitra ihany koa amin’ny fanampahan-kevitra. Tokony hanana fahamendrehana tahaka an’i bakoly, hitafy hery ara-batana sy ara- tsaina ary ara-panahy toa an’i pasitera, higoka ny harena nomen’andriamanitra mitovy amin-drandrenja ny olona rehetra. Manoloana ny toetran-drajao anefa dia mila mandinika sy mamakafaka ny tsirairay. Maro loatra mantsy ireo toetra ratsy misongadina ao aminy tia vola, fangoloka, mpieboebo, mpanararaotra, taitaitra, mitondra hevitra ny maha lahy na ny maha vavy ny mpandray anjara fototra. Mifahatra amin’ny herim-batana sy ny herin-tsaina ny hetsika ampanaovina ny mpandray anjara fototra lahy. Mety hifanohitra amin’izany kosa raha vavy izy. Ny halemem-panahy sy ny hakingan-tanana no atafy azy. Maro lahy anefa ireo mpandray anjara fototra voalaza ato amin’ny malok’ila 1-5. Miisa efatra izy ireo raha iray monja no vavy. Voamarina teo amin’ny fihetsiky rajao, pasitera, randreja tamin’izy telolahy nifanenjika ka tany an-tanim-bary no niafarany fa manana herim-batana izy ireo. Tamin’i johary nenjehin’i fetra tamin’ny moto koa dia hita fa matanjaka izy satria, môtô aza tsy nahazo azy fa i bakoly indray no voa. Na dia
He be ny hasoavana. Fa tonga ny fotoana, ka kristy tompo teraka hamonjy sy hanavotra.
Archives du petit séminaire
Fehiny, io tara-kevitra io araka izany dia misy ifandraisany betsaka amin’ny foto-kevitra ijoroan’ ny gazety andaniny ary amin’ny zava-nisy ara-piarahamonina ankilany. Ny gazety izay nanana ny loharano nipoirany dia ny tolona nataon’i jean ralaimongo ary eo ihany koa ny tolona nataon’ireo tia tanindrazana malagasy tamin’ny 1947.
Tsima ka vavy tokana kosa anie izy ka atao ahoana, ary sady namoizany ny maty. Fisehoana ii rabeza miditra
Fepetra valo no hojerena ato anatinrity zana-pizarana ity ny haben-tsoratra, ny endrika an-tsarinrny soratra, ny endrika azo anavahana ny soratra, ny elanelana sy ny fomba fanapatapahana teny roa, ny andalana nasiam-panitsiana manokana, ny halavanrny andalana, ny elanelanrny andalana, ny ranomainty sy ny taratasy.
Souvarine s’en est pris au monstre avec audace et une force incomparable. C’est comme s’il a vraiment à faire à un être vivant. Tout d’abord à travers ses comportements pour
H1. 4 -r, ? C , , 0 v rr i 7 ei j t; , , ; j 2 .
Tsy hita hoe maninona tsy misy mahalala toa hendry raha jerena nefa tena adala.
Randria ka ny tsy manome ry koto no ratsy a! Ary tsy atao imason olona fa ilay fanampiana avy any ivelany tsy maintsy natao ankisasaka aloha
Ny taonjato voalohany ka hatramin’ny faha xvi. Raha mbola vazimba no maro an’isa teto madagasikara dia vehivavy no nolazaina sy noheverina ho filoha neken-teny tamin’izany41. Rehefa nihamaro anefa ireo mpiavy avy amin’ny firenena maro toa an’i indônezia, arabo, afirika bantous , erôpa, sns dia lasa teraka amin’izay ny antsoina hoe foko ka izay lehilahy zokiolona indrindra teo an-tanàna no filoha nitantana ny foko tsirairay.
Ny anatra ampitaina eto dia fitaomana ny olona tsy hiraviravi-tanana na hiandry fanampiana avy any ivelany vao hanatanteraka asa iray. Ny fomba hampitana ny anatra dia fampitahana ny olombelona amin’ny vitsika ka ny fomba fiasan’ny vitsika eto no noraisina ho ohatra velona enti-mandresy lahatra 181. Manaraka izany ny fahitana soritra ny mpiteny amin’ny zavatra ambarany amin’ny alalan’ny mpisolo tena laharana fahatelo manondro olona maro isika ny mpiteny sy ny itenenana eo amin’ny hoe aiza ho aizan’izany re isika olombelona ? Dia hahafahany mangaro ny tenany amin’ny itenenany mba hahafahany mikitika ny mason-tsain’ny itenenana. Misarika ny olona resen-dahatra hitsetra sy hangoraka ny vitsika izany noho ny fahatsapany fa kely dia kely izy ireo nefa be herim-po sy fikirizana. Ny tanjona kendrena amin’ny fampiasana lokom-pilazana mampianatra eto noho izany dia ny mba hananan’ny olona resen-dahatra hambom-po haka tahaka ny fomba fiasan’ny vitsika ary hahavita asa tsara lavitra mihoatra izany.
Manombana ny lanjan’ireo fiheverana ireo eo amin’ny fiainam-piarahamonina; ny endrika isehoany
Enti-mivolana ary anombanan’ny mpiteny ny ambaran’ny mpiteny mirehaka miaiky
Pédagogie, dernière modification 20 01 2015, 09 02 2015
Maro ny zavatra ilaina amin’ny omby, raha ny tena marina aza dia tsy misy azo avela mihitsy ny mahakasika ny omby, ilaina avokoa ny rehetra momba azy. Ny hoditr’omby azo anaovana lamba firakotra izy io taloha iarovana amin’ny hatsiaka, anaovana satroka, sns. Ny taolany dia azo anaovana ranomena fanafody ny tandrony azo anaovana sary sikotra. Ny tainy anaovana zezika.
Nankaiza ny olon-tety? Ako no sisa manoina. Fody no sisa mamaly. Aloka sisa antsoina ! Sorohitra mbamin ny domohina no zary tompon-tanàna. Nankaiza ny olon-tety ? Lasa tsy nisy tamàna.
Toy izany koa no hita ao amin’ny vokatry ny fo340 nosoratan-drado ramaherison izay milaza ny fihetseham-po noho ny fitiavana.
Injao ny sento sy alahelo fa mafonja, sy manjary be fitopa toy ny onja. O, ry volam-peno iny mba ahoana aiza re no misy lembalemba sy havoana?
Saingy na dia soritra miventy fitaka aza no entiny matetika, dia tsy hampiforitra na hampibaboka ahy satria izao no tetika fianarana ny fiainana, fianarana mandrindra ny fitondrantena, lalana ny fiainana, lalana ikarohana ny tanjom-pandresena. Dingana ny fiainana, dingana itarafana ny mari-pivoarana. Sampanana ny fiainana, sampanana itadiavana ny tsikin’ny hasambarana.
Horontsona horotsondrotsona horontsonana
Amin’ny fampandrosoana ny tantara koa ny mpandray anjara mpanampy. Mety ho maro izy io, na tokana na vitsivitsy. Ohatra andian’olona mpikomy na tokantrano iray na roa, mety andiam-biby, olona iray na biby iray, manampy ny mpandray anjara fototra izy mba hahatanteraka ny tanjona kendrena ao amin’ny tantara. Noho izany, tsy zava-maivana ny andraikitry ny mpandray anjara mpanampy. Manana anjara asa ao amin’ny tantara izy, na amin’ny fanatrarana tanjona, izay atao hoe fanatontosana asa na amin’ny asa izay tsy misy tanjona fa tsy maintsy lalovana, araka ny tenin’i bremond cl 22. Azon’ny mpanoratra atao tsara ihany koa ny manavaka ny mpandray anjara mpanampy amin’ny alalan’ny fiaviany, ny asany, ny taonany, ny maha lahy na maha vavy azy, ny fiarahamonina misy azy. Natao hanasongadinana ny mpandray anjara fototra sy hampivoarana ny toe- javatra tantaraina ny mpandray anjara mpanampy. Izay indray ny filazalazana ny momba ny mpandray anjara mpanampy, ndeha asin-teny kosa ny mpandray anjara ravaka na haingo. Ny mpandray anjara ravaka na haingo amin’ny ankapobeny, tsy manampy mivantana ny mpandray anjara fototra ny mpandray anjara ravaka na haingo. Araka izay anaran’izay dia natao handravaka sy hampisy endrika ny tantara fotsiny izy. Mety tsy miteny akory izy ao anatin’ny horonan-tsarimihetsika fa mba hoentina hanehoana fa zava-misy amin’ny fiainana andavanandro no aseho. Izany hoe, mba tsy hieritreretan’ny mpijery tontolo hafa. Ohatra miantsena no hetsika tiana hataon’ny mpandray anjara fototra na mpanampy dia aseho ny vahoaka marobe mivezivezy eny an-tsena, asiana mpivarotra sy mpividy mihitsy. Ilay vahoaka izany no mpandray anjara ravaka.