url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/raha-ianao-no-toa-ahy
Raha ianao no toa ahy
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Raha ianao no toa ahy dia inona no ataonao? Ny amiko,eny mantsy,ravin-kazo tafasaraka aman-taho... Tia nolavin-tiana ka indrisy! Izay domohina itokiana?-toa tsy hisy! Raha ianao no toa ahy dia hanao inona? Ny fiainako,eny,anie efa tsinontsinona! Tsy mba miramirana,fa oriory lava... Toa tena vonton-kaizina,malok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/mpitarika-sarety
MPITARIKA SARETY
Aina Nirina
MPITARIKA SARETY (tena zavanisy, ny tenin’ilay mpitarika sarety tsy niady Hoy ity mpitarika sarety avy eny Anosibe Tamin’ny Tele : « Nomena vola be tsy manam-paharoa Ny dahalo niova fo, Izahay anefa tsy avela hiasa Tena hafahafa, Nefa anie ‘zahay ka efa mafy ady Sy mamelom-bady, Ny zanakay noana sady mbola ke...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/dindona-fitia
Dindona fitia
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Dindon'endrikao sariaka,tsiaro @alina mangina @ nofy mikirindro...sy ny torimaso mamy @ tontoloko rehetra,rehefa mety ho eto an-tany Ka mampiontana ny fo,manintona ahy ho liana...! Mamony fitiavana,ka mihira anie ny foko! Mihira @ fihiran'ny hiakan'ny fitia Mody mihovitrovitra ao,kanefa anie aky, Mihira sy mivet...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gervais-ranaivoson/ho-anao-irery-ihany
Ho anao irery ihany
gervais RANAIVOSON
Raha ny fijery no malemy, manambara fifaliana Raha ny vava no miteny, mifono hafatra mangina ...Raha ny foko no manery, hipololotra tononkira ...Kalokalo aman-tantely, spesialy ho an'ny tiana.(N....) Ny diamondra lafo vidy, tsy ananam-piry eto an-tany Ny voasary koa tena mamy nefa indrisy mora lany. Fa ny foko iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/nofy-ihany
Nofy ihany.
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Injay fa miantso mora... Hampikimpy indray ny maso Ka hitondra nofy ao anaty natiora... Ity alin-torimaso! Manonofy indray ny foko... Ka manofy ny tsy ho tanteraka Ka miatonta ireo toloko Ka maha-mora reraka...! Tao ny niainako omaly Ao koa ny mbola ho avy Efa nonofisiko anie izany Raha hosainina,mampanavy! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/akom-panahy
akom-panahy
cedarf
Iny ianao fa hitako mamaky ny abakabaka fa tsy azoko antso indrisy! Mba satriko ho ato anatiko fa miserana dia dify, Toa mainka lasana any, mandositra ny tany, Tsy mihevitry ny ankoatra ny hisitaka ahy hatrany. Indrindra moa fa miainga, dia lasan-davitra any, Mahita teny kanto izay ampy hampitomany Ianao ry ilay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/ry-peniko-7388
RY PENIKO
Fom'setra setra
Hono ho'aho ry peniko Nahoana re ianao no mazoto mikorisa Hanoratra ny teniko Vao mihetsika ny tsiahy te hamisavisa Irony lalana nizorako Efa lasa tsy hiverina No nandratra indray ny foko Nohingain'ireo tamberina Soratana ry peniko Nefa niriko mba hilevina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gervais-ranaivoson/nosy-mamiko
NOSY MAMIKO
gervais RANAIVOSON
Mankamamy anao daholo Ny vahoaka manontolo, Na ny kely na lehibe Sy ireo efa nandre, Fa misy ianao ry Gasikara Tanindrazanay malala. Fony kely aho no nahalala Fa ianao dia tsy an-tsahala, Na amin'ny endrika na bika Tsy mitaha ny any am_pita, Ka mampirehareha anay Amin'ny saina fo fanahy. Tsy aiko intsony 'z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/tselatra
TSELATRA
Aina Nirina
TSELATRA Mijojo mafy ny orana, Mipatraka ny olana, Tsy ilaiko intsony ny elo, F’efa hotsak’alahelo Ny amiko tontolo : Avelao hikoro… Ny tongotro mamindra Tsy zakako afindra, Fa sendra tojo fotaka Ka efa saika potraka… Mianjera ny faniloko, Maty teo ny jiroko, Mainty koa ny lanitro fa tsy mba misy kintana… ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/fitia-mampijaly
Fitia mampijaly
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Hono,ry foko hianjadiam-pahoriana, Mbola tiavina ihany mantsy ny efa tsy tia? Hono,ry saiko moa ve niriana? Ka tsy ho resinao ity foko ity? Hono,ry fitiavako tsisy mpandray, Ny herinao fahiny va re dia hikoro? Ka hionona,eny,ho mandrakizay Dia izato foko no ho torotoro...? Hono,ry fitiavana lehibe indrindra... ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/etsy-matoria
Etsy matoria
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Etsy ary matoria,izany zanako izany, Etsy matoria,dia manofisa mamy... Etsy matoria,fa maizina ny tany... Etsy matoria,atsaharo ny tomany! Etsy matoria,fa tsy hatory aho akory Etsy matoria,fa ny foko mbola ory... Ory ny mihatra @fainantsika eto Mitsilopilopy lalandava,tsy ilaozan-tsento! Nefa etsy matoria! Mik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/raha-toa
Raha toa...
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Raha toa ka lasalasa ny nofinofinao, Hiriotra,handrovirovitra... Ka hahita mangina ilay tia anao Anaty alina mangovitra... Dia tsarovy ny hasin'ny fitia natolony Fa manoina ao am-po! Sy ny fivatravatran'ny tanjaka fonosiny, Mampiray anareo roa Raha toa ka mitamberina anaty nofinao Ilay endriny sariaka S'ilay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/eritreritra-mandalo
Eritreritra mandalo
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Ny foko,hono,manam-pitia sesehena Izay ho havako koa va re mba ho torak'izany? Ny tanjam-pitiavako,hono,tsy mety hihena Izay ho malalako kosa?tsy ataoko ambany! Ny R.T.M
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/tsy-maninona-fa
tsy maninona fa...
Ari Ira
Tsy maninona fa ho ekeko ny fanapahan-kevitrao, na hoy ianao hoe aok'izao na tsy maninona f'andao; izay tonga eo dia hitsikiko na mangidy aza ry tiako fa ny fahasambaranao no tena hany fifaliako.... Tsy maninona fa ho zariko ny foko hahay hanaiky zava-misy, ka ho ekeko tsy hisy tohitra, tsy ho tovanako hoe indrisy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/franky-sy-mada
FRANKY SY MADA
Aina Nirina
FRANKY SY MADA (Setrin’ny tononkalon’i Barry Sirjon araka ny fangatahany) Franky* a… Tena tiako anie ianao ilay saka telo volo*, Fa izaho ihany koa mba maniry hisary zoro, Ny hitady fanampiana sady mba hitsapa vintana, Sao dia mba mahazo ihany any amin’ny bekintana*… Ny kely maso* aza anie, mipimaso isan’andro,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/raitra-ilay-tiako
Raitra ilay tiako.
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Ny endrika sy ny bikany? Kanto,meva sady raitra! Ary toy izao no dikany, Henoy tsara fa manaitra: Ny kanto dia mambabo Fo,saina ary koa fanahy Ny fitiavany dia lavo, Ka miara-tsambatra @ ahy... Ny meva raha ambara Dia maha-te ho tia Ka lasako...anjara Anjaran'ny fitia! Ny raitra dia midika, Fa angamba... f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gervais-ranaivoson/soa-fa
SOA FA....
gervais RANAIVOSON
Soa fa nisy kalokalo Rotsirotsy mofon'aina, Hoventsoventson'ny mpandalo Mijaly mafy reran-tsaina, Manantena fitoviana Na tsisy hery hoenti-miady, Na donak'afo fiafiana Mitraka foana tsy mandady. Soa fa nisy serasera Lalan-drà mampita aina Hizarako izay nomena Ho tolo-kanto tolotr'aina, Ho fiaro bala maro H...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nahitako
NAHITAKO
Fredy Jaofera
NAHITAKO Nahitako ny mafy ny zavatra vitany ka aoka tsy afafy ny tiana ho hitany. Nahitako ny loza ny nanajana azy ka na izay kitoza, tsy hita fa sazy ! Nahitako ny jaly ny saina nomeny ka tsy nampifaly vao tazako teny. Nahitako ny fery ny toetra nataony ka saika namery fa hoe kilalaony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/masoandro-aina
MASOANDRO AINA
Aina Nirina
MASOANDRO AINA Ianao anie ka tiako Sy tokana malalako, Ianao no fifaliako sady hasambarako, Ianao no mpanafana sady masoandroko, Ianao no hazavana hampihiratra ny androko… Fa raha vao mifoha : ianao no andrandraiko, Hiposaka ao am-po, hamelona ny aiko, Fa ianao no Aina Niriko hamelona ahy, Mpanokatra ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/hiaka-tsisy-feo
HIAKA TSISY FEO
Aina Nirina
HIAKA TSISY FEO Mafy loatra anie ny sedra mianjady, Tsy zakako intsony fa tena resy an’ady ; Ka ny hakiviana no tsapako misoko : Setrom-pisentoana, manempotra ny foko… Rehefa tojo ngidy sy ady mahamay, Izay vao mba mahatsiaro ny Anaranao ry Ray, Nefa tena tankina ny feo eo am-bavako, Ka any am-poko any no misan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harydi/halemena
HALEMENA
Harydi
HALEMENA Nanota aho androany nanota taminao sy ny fitiavantsika nanosihosy anao tao am-poko tao tamin’ ny endrika sy bika .... fa izy ilay nandalo no nampientam-po nahangoly ny fanahy sy nampitodi-doha Nakimpiko ny maso navily ny fijery tsy hitazana handinika ny aminy manaitra ne...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rjd/indrisy-tononkalo
indrisy tononkalo
rjd
Indrisy re fa tononkalo No mba azoko angaly Raha injany fa mandalo Ilay tsiaro mampijaly Dia 'lay peniko fikiriko Rah' mipenina ny saiko Tsiahiko ianao fihiniko Tiako haverina fa tsy haiko Ka 'ty saiko mbola donto No tereko hamoaka kanto Hitovo anaty foko vonto 'Reo taraina sy antsoantso Ireo onjan'onjan-ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/riakanny-foko
RIAKAN'NY FOKO
ILIMIM JIVISDI
RIAKAN'NY FOKO Misy pitik’afo ahofahofan-drivotra any ho any Hoy ny foko niboredika nijoala fanontany Raiki-tahotry ny tevana hady lalina fiantsampy Dia ny foko nihakanosa teo ambony vatolampy Fa ny kiriko namisa visavisa hasambarana Nofaohin’ny hirifirin’ny ahiahy ka nitsivalana Hany ka nahatsiaro ity fakako ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harydi/tendry-faniriana
TENDRY FANIRIANA
Harydi
TENDRY FANIRIANA Tsy hoe ; ... Ianao no tiany Dia izy no hariany Na hoe ; ... Ianao no halany Dia izy no ho malalany Fa na izy na ianao Samy ts’ isy kilalao Miara-monina mitoetra Am’ zay hatao rehetra Ary tendry faniriany Malalany ka tiany Tokana tsy mitakalo Tsy avelany hif...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ragasy/ilay-mpandalo
Ilay mpandalo
Ragasy
Dray,dray,dray! Zatovovavy tonga lafatra Hantenaiko fa ianao Ray No hampita ny hafatra Vao nahita ny hatsarany izato foko Nihovitrovitra ny fanahy Saingy ny saiko kosa nitoloko toa fitiavana mampanahy Teny an-dalambe mantsy no nifankahitanay Niara nidoboka ny fonay roa Ny tato anatiko nisofy nivaivay Satria ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/poety-bado
Poety Bado
Ari Ira
Poety bado ialahy, tsy mendrika ho vakiana, satria raha zohina; d'izay mba hoe fanahy tokony ho azy ireny. Entiny hanefeny ny mpiara-belona aminy, tsy hita amin'ialahy. Poety bado ialahy tsy mendrika ho jerena satria ny Firenena izay miandrandra an'ialahy mila soratra voakajy tsy mba vitavita ho azy mila ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/tsy-poety-bado-aho-fa-mpanoratra-mahay
Tsy poety bado aho fa mpanoratra mahay
Ari Ira
mpitrandraka gramera mpanambatambatra litera; ny tendrombohitr'asa soratro tsy ho vitan'iza hazera. Tsy talenta fa fahaizana. Tsy avy ao am-po fa haren-tsaina. Tsy tonga ho azy fa nikelazako aina. Tsy ho fialam-boly, tsy ho famaizana. Izaho ve? Ilay mpanoratsora-poana, ilay foana nosoratako, ilay nosoratako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/raolombelona
RAOLOMBELONA
ILIMIM JIVISDI
RAOLOMBELONA Nitady harena ianao, tamin’ny fo tokoa Nandranto fahalalana mba hikatsaka ny soa Ny tanjonao anefa dia ny hameno ireo banga Anefa ankehitriny, tsy izany no mitranga Ny fandrosoana maro izay noheverina ho tsara Tsy nampoizina hamotika ny zanaka am-para Hany ka mihalevina ny atao hoe: “Fanhendrena” T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harydi/tandrifindrahona
TANDRIFINDRAHONA
Harydi
TANDRIFIN-DRAHONA ... Nanerika ny andro Tsy dia nijojo firy Masoandro mibaliaka Amin’ iny tarany iny Nefa dia namonto Ny rakotra eny an- kodiny Hay tsy orana iny Tandrifin- drahona ihany Sento nitampify Tsiahy ny efa nisy Nampirotsaka tomany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/sambatra
Sambatra
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Sambatra aho ankehitriny fa nahay nionona ihany! Nitraka ihany anie,ry lahy,na dia efa lavo tanteraka... Ireo fijaliako fahiny,toy ny sento sy tomany Nisinda avokoa,angamba mora reraka! Sambatra koa aho anefa,fa nahay nanadino Noezahiko nadinoina mihintsy,ilay salovan-tava iray... Tsy tiako hotsaroana intsony,ary...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfantomas/zandry-malala
Zandry malala
alfantomas
ZANDRY MALALA Zandry ah!!!! Mba firifiry moa lesy reo tanora toa antsika Anivom-pitolomana fa mamelona ankohonana? Ireo nahitany ny masoandro tsy mahavelona azy intsony Ka dia midonaka any am-pony... Hambom-po tanora Te handresy ny habadoana Te handresy tsy fisiana Te handresy ny fiainana Saingy.... Saingy i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/afaho
Afaho.
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Fantatro fa tsy mba azo atao Meloka aho,raha mandika ny Didinao Nefa dia toa manota hatrany,hatrany Ity zanakao fa mandia-tany... ...Noheveriko fa tsy hisy hahita Tsy fantatro fa tsy hahatafita... Nefa Ianao,ry Ray izay tia Nibanjina ahy,nibanjina ahy nania! Fa ao Ianao,ambony ao... Manitsy ahy sy manavao... ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramahatehotia/lazariste
LAZARISTE
Ramahatehotia
LAZARISTA Môpera lesy ialahy! Ilay mpiara-mihosom-bovoka tamin’ny tataviankena Ilay mpampiesona mpivarotra fony teny an-tsena Ilay mpangala-tahaka fony tany am-pianarana Ilay fatra-pitsikilo amin’ny hidim-baravarana Môpera leitsy ialahy! Ilay fatra-pilomano ny tontolon-jazavavy Ilay faingafaingan-tanana amin’ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/raha-mba-teo
Raha mba teo
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Eny,raha mba teo mantsy ianao androany, Dia angamba ho foana ny sento sy tomany Eny fa dia iray minitra monja Ka afaka hampitony ity ovitry ny onja...! Eh!tena mafy anie izany tsy anilanao Mafy tena mafy,mampizioga ahy talaho Ny tsangananao tontolo no ilaiko anilako eo Nefa tsy maninona,na tsy hisy feo...! Raha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramahatehotia/i
I...???
Ramahatehotia
Raha mpihira aho Dia efa azoko antoka Ho ny anaranao … no lohateni-kirako Raha mpanao politika Dia izay antoko misy ny anaranao … no ankolafy idirako Raha mpijery baolina aho Dia izay tarika Misy mira anarana aminao … no tsy maintsy hoe nalaiko Raha miteraka aho Sady ianao no reniny Asiko anaranao … ny an’n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/matesa-ry-poety
Matesa ry Poety
Ari Ira
noharatsiany matetika! na fiteny na fihetsika na fomba na fisaina - lazainy ho mpanamaina- ilay mpandrotsirotsy sy mpamelombelona ny zanak'olombelona mitondra azy hisidina... hamangy ny tontolo honenan'ny fanahiny amin'ny teny izay ravahiny. fa mpanonofy mantsy hoy izy ireo mihantsy ireto mpanambara, sy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/diso-fanantenana
DISO FANANTENANA.
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Ireo voa izay nambolena? -Tsy nitsimoka avokoa Sasa-poana re ny tena Malahelo izany fo! Ny atody izay nakotrika...? -Nandamoka,tsisy foy! Ka indro nampilofika, Izany foko mila hamoy... Izay rehetra nantenaina? -Tsy tanteraka avokoa Marary anie ny aina Nefa mba ho aiza moa? Ny tiana mba notiavina? -Toa nian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/masina-ny-teny
Masina ny Teny
Ari Ira
Ataovy ao an-tsaina, fa ny teny izay lazaina entin-drivotra misidina ka ela vao tafidina. Ny teny iray mivoaka, raha ren'ieo vahoaka... Mitombo ny hateviny, ary miova hatramin'ny heviny... Ka mba avadio ny lela, sao ho lavo ka hianjera ankodimiran-kabary eny Ka mandiniha vao milaza, misaina vao misoka-bava ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/pesta-mampiova-fo
Pesta Mampiova Fo
Ari Ira
fako eran' ny arabe sy ny lakan-drano taza-maso; ny mponina efa miha-voretra ny savony koa miha-lafo, ny tonta toa tsy taka-bidy nefa ny voalavo miaka-dapa; ny hanin-kohanina aza tsy hita koa iza indray no hiompy saka? Dia nihombo ilay aretina; fito amby efa-polo maty, ilay aretin'ny mahantra hoy ny mpanabantibant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harydi/izay-
IZAY ...
Harydi
IZAY ... Niriako novonoina Niriako nohadinoina Ny momba anao rehetra Niriako ny hamafa Niriako ianao ho lasa Tsy hananambiny tavela Ireo rakitry ny ela Niriako ny ho voasolo Ireny manontolo Ilay tsara kolokolo Fahafahana manefa Ny vita izay rehetra Niniako mba nodorana Hiongo-paka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ragasy/planeta-nofy
Planeta nofy
Ragasy
Nifanantona izahay roa Niara-nidoboka ny fo. Nofihininy mafy ny tanako Nisy hery nanosika aho ka tsy tanako. Ny feony iva nibitsika ahy mangina Satriko foana teo anilan' ilay tiana. Ny masony nitopy nanjelanjelatra; Nampitsiry ilay elatra. Orokay voalohany iny ka mamy dia mamy: Hasambarana tsy roa aman-tany. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/indraindray-mazana-miserana-matetika
INDRAINDRAY, MAZANA, MISERANA, MATETIKA...
ANDRINIAINA1
Indraindray, mazana, miserana, matetika... Na indraindray na ho matetika: No tsy hahamasaka ny ketrika. Tsy mampaninona koa izany; Fa izay le fiainana eto an-tany. Ilaina ny miezaka foana: Na oviana koa fotoana. N'inoninona manoloana: ANDRIAMANITRA eo foana. Na ho mazana na hiserana: No hampety na haható izay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/eritreritra
ERITRERITRA
ILIMIM JIVISDI
ERITRERITRA No mpaniraka ny saina Hanaraka ny baikon’ny Tenany mpandidy Tompon’ny safidy ...voahidy: Tao anatin’ny tsy haiko Nolazaina, SAINA. Dia misy hono aho! Dia misy koa ianao! Baraingo sesilany No nasetriko ny tany Tamin’izany fotoana ‘zany. :“Tsy amin’ny maha izaho F’ izaho ‘lay manan’aina Azafad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/ny-tontolo-maitsontsika
NY TONTOLO MAITSONTSIKA
Aina Nirina
NY TONTOLO MAITSONTSIKA Niverenako indray ilay toerana mangina izay nampiarahantsika, Tamin’ny tara-masoandro tena feno hazavana sady lavitry ny hatsiaka, Teto isika no sondriana : teto ambony ahi-maitso, ahitra nilenodenoka, Teto isika no nitafa sy nianoka fitia tamin’ny nofy naharenoka… Gaga aho fa tany hay sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/maika-loatra
MAIKA LOATRA
Aina Nirina
MAIKA LOATRA Eo am-pototry ny manga, eny anivon’ny natiora, No fotoanantsika roa mba iarahana midola, ‘Zaho no tonga mialoha, f’efa tsy andriko ilay ora, Ahitako anao indray, tena mampitelin-drora… Iny eny ianao fa tazako ka midoboka ny foko… Mamindra mora avy lavitra toy ny olona manjoko… Fa manao akanjo ba sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/dahalo-niova-fo
DAHALO NIOVA FO
Aina Nirina
DAHALO NIOVA FO Toa tsy eken’ny saiko raha toa dahalo, Mpandroba sy mpangalatra omby tena maro, Nametaveta ankizy sy mpamono olona No hasohasoina toy ny hoe mpitolona… Satria niova fo nanjary tena tsara, Dia handaniana vola roapolo miliara… Efatra arivo no isan’izy ireo, Tena tsy mampino ny zavatra miseho… Afa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/sombini-aina
SOMBIN'I AINA
Aina Nirina
Sombin’i Aina (lohatenin’ny boky havoakan’i Aina Nirina atsy ho atsy) Sombiny amin’ny aiko No notazako ho anao hankafizanao ny tsirony, Ny foko sy ny saiko No nampiaram-peo hiangaly ny filirony, Ny korisam-peniko No arantiko aminao ny rehitry ny jirony, Ny hatsotran’ny fiteniko No hanampy tosika ny zavan’ny fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/soa
Soa
Ari Ira
Soa fa latsaka ny orana, nanakotsa ny tavako tsy nahatazananao ity ranomaso mikoriana. Soa ihany koa aho tsy torana... Tsy nanorohanao ny vavako, tsy nahatsapanao ny tomaniko mangina. Soa fa nisy tselatra, nibetroka ny tany tsy naharenesanao ny fiefon'ny tomaniko. Soa koa fa tsy nivelatra, Izany hazavana i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/nisesisesy
NISESISESY
ANDRINIAINA1
Nisesisesy! Niala ny mamba: Nisosoka ny voay. Mila hahajamba; Ka mila hahafay. Ny eto tsy vita: Ny eroa koa tsy miala. Ny atsy tsy hita; Ka mila hahadala. Misesisesy hany: Tsy mety mijanona. Mibosesika hatrany; Ka mila hahafanina. Mila tsy ho araky ny aina: Ny zava-misy sy ny adidy. Manakorontana ny sain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ragasy/fianana-an-tany
Fianana an-tany
Ragasy
Izany no fiainana eto an-tany Fifamoivozan' ny alahelo sy tomany Mahalana ny fiadanana sy ny hafaliana Mpamadika ireo olon-tiana sy nitokiana. Fiainana an-tany mahajamba Tsy azo afenina na saronan-damba Tsy maintsy aseho sy aderadera Ny olom-belona tsy tonga lafatra na pasitera na maopera. Fiainana toy ny kodia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/gasikara
Gasikara
Ari Ira
Ry Madagasikara! onena anao ny foko fa toa voahozona hitoloko angamba ireo dimby sy ireo fara sisa mba vahoakanao! Akanga sisa nanamborana voagejan'ny fatorana ka mahantra toy izao! Mahantra ambony harena... tsy hoe ianao no ngazana fa tsy misy izay finiavana hampivelatra ny tena; satria zatra nomena ny von...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/ny-soratro
NY SORATRO
Aina Nirina
NY SORATRO Eny, tena ekeko fa nisy tena niainako ny zavatra soratako, Nisy ny hafaliako, nisy ny alaheloko, nisy koa ny ratrako, Nefa nisy koa ny tranga nolalovan’ny hafa sy ny namako, Na ny zava-nisy nampiainga ny fanahiko tena mba tsy tanako… Soratako avokoa na ny eto an-tany na ny antaranoana, Na ny nofinofy a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/ratra
Ratra
Ari Ira
Rofy tera-dratra, tora-drafy tsy ho takatry ny mari-drefy. Fitia zary latsa, tena mafy, asa ve hoe ratsy tefy? Ratra tonga rofy, tora-drafy, ngidiny ho an'ny fo marary... Fitia tonga nofy, tena mafy; takaitra no navelany, holatra mibaribary. Rafy tera-drevy tsara rova tsy azo alahatra amiko, mafy ady be n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manda/finamanana
FINAMANANA
MANDA
Misy hantsana manasaraka Mahatonga antsika tsy ho tafaraka Tsy inona akory izany ,fa ny finamanana ihany Kanefa izao no mba tadidio Raha diso aho dia ahitsio Fa fitiavana no mahampinamana Raha mihoatra ve dia atao ho sakana Ilay finamanana nampitsiry fitia Dia omenao tsiy ve aho sanatria? Ataoko angamba fa tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirinahafahafa/miandry-anao
Miandry anao
Nirina(hafahafa)
Lasa izy, nidify namoy fo Izaho sisa, miventso mangina Izy lasa, nogejainy hambom-po Sasa-miandry, feno hankivina Indraindray, mamisavisa samy irery Manembona, mahatsiaro ireo taloha Nitsingerina ny andro, marina ilay teniny Efa taona maro, indro vao hifoha Ankehitriny taitra, tiko iverina ireo lasako Aona hoy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/ny-teniko
Ny Teniko
Ari Ira
Andrianiko ny teniko ny an'ny hafa ho feheziko raha asosako ny peniko ny teny Gasy no hataveziko. Averiko amin'ny toerany ireo very notadiavina ireo hasiny nazerany averiko ho tiavina. Ka asandratro ho ambony ahitanareo ny hasoany sy ny hareny tsy mipika, ireo haikanto nimasoany, fa tena lehibe tokoany kay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/ny-ako
Ny Ako
Ari Ira
Toa satriko ihany handre ny bitsibitsikao, miantefa moramora ao am-poton-tsofiko ao. Fa toa manainga ny fanahiko hamonjy ilay tontolony; ilay toerany katsahiko nihaniako efa im-polony saingy tsy tongako hatrizao raha tsy noho ny akonao....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/j.j.f/rehefa
REHEFA...
J.J.F
Rehefa... Mandronitra lava Amin'ny andro mazava, Teren' adi-tsaina Ka be fitaraina Misento isan'ora Fa tsapa tsy mora Ny Tsisy mpijery Ka toa manirery Tanondrika hatrany Sy lasa vinany Tsy mahita andrandraina Torovana ny aina Mivesatra antambo Tsy manana hambo: Toy izany no mianjady Rehefa ny vady No t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/tantarantsika
TANTARANTSIKA
Aina Nirina
TANTARANTSIKA (tantaran’ny namako iray narafitra ho tononkalo) Hafahafa ihany akia ity tantarantsika ity : Efa an-taona maro isika no nifankatia, Niara-nifanjohy, nefa ankehitriny Hivady,hono, ianao sy iny olona iny… Marina izy iny fa olo-manam-bola, Manana ny ampy ho entina midola, Dia tena sahinao ny nanitsak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/izaho-lay-leo
IZAHO 'LAY LEO
Tsilaitra
Izaho ‘lay leon’ny toetra sy fanao Leon’ny alim-podinao isan’andro lava izao Leon’ny antso tsisy valiny, Leon’ny fomba sy famaliny Leon’ny namana sy tariny Leon’ny fitia sarintsariny Izaho ‘lay leo miandry lava etoana Mitebiteby mandavana fotoana Leon’ny mangiana sy mimoana Toa olona misoana Leon’ny tsy misy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajaona/kolokoloy
Kolokoloy
Rajaona
KOLOKOLOY Sangan'asan-Janahary Kanto indrindra, hatrizao Miavaka raha samy voary Tsy lazaiko, fantatrao Mahantanty dona tsara Mahasedra zava-maro Tsy dia mila karakara Hoy ny hevitry ny maro Ka totofana asa maro Semporina karazan-tsetroka Mamoina toaka mifangaro Raha reraka, omena betroka... (Tsy ho ary ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/fitia-nokobonina
FITIA NOKOBONINA
Aina Nirina
FITIA NOKOBONINA Ho avy any aho ho anao, androany aho no hamangy, Tsy hitondra voan-dalana na hiverina hisangy, Fa hirongo ny fitiavako hovimbiniko an-tsikinana, Ka nataoko tsara afina tao anaty fahanginana… Efa homaniko ihany koa ao am-paosiko an-kavia, Peratra ao anaty baoritra ho porofon’ny fitia, Nofidiako t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotojean/hanoratra-ho-anao
Hanoratra ho anao
Rakotojean
Hanoratra aho,hanoratra ho anao, Ianao zay notiaviko,tao ampoko tao. Tsy asiko salasala,fa soratako avy hatrany, Hoe;ianao no lay tokako raha mbola eto an tany. Hanoratra aho,hanoratra ho anao, Tsy ho ataoko sangisangy, Fa ny ato ampoko no soratako ho ano. Hanoratra aho,hanoratra ho anao, Satria,manembona anao'...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/tia-anao
tia anao
cedarf
Toa ratra mikorina, tsiaro mitamberina, Sa ny onjam-pahoriana no tonga hanelingelina? Asa! Tsy haiko no tsy reko ny hafaliako Fa ny masaka ao an-tsaiko dia ny mombanao ry tiako. Mahatsiaro anao aho ka fisentoana ny alina, Imbetika aho tomany, dia lasa saina lalina; Mbola ato anatiko ny mamintsika manko Odiako fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirinahafahafa/ratrampitia
Ratrampitia
Nirina(hafahafa)
Tsy hoe hadalana na fioaram-pefy Lay terim-pitiavana mampijefijefy Fa ny foko tsy toy ny lavakombarika Hahay hitahiry ireo fitiavana miafina Tsaroana fona raha sendra miady Fa fifanekena sy nanaovana voady Miangavy tsy olefin’ny hajejona Na koa afenina rehefa misy mandona Ialako ny tsiny raha hanao vazivazy Fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/tsy-poety-aho
tsy poety aho
Ari Ira
....dia nijoro ho fahavaloko ilay mpamaky nanantena ny hahita zavatra hafa tao amin'ilay novolena, ka indro izaho fa nohampangainy; nororàny sy nompainy. Dia ny tononkaloko ihany no natsangany hamely ahy, ka avy izy dia nihiaka mafy hoe poety bado ialahy... tsy poety akory fa mpanoratsora-poana; tononkalo tsy iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirinahafahafa/nofinofim-piainana
Nofinofim-piainana
Nirina(hafahafa)
Nofinofim-piainana Te mba hanonofy a lesy ry namako Ka na dia kely monja aza dia ande hoandramako: Tsy oe sanatria voadonam-pitia Ka hamisavisa ny hanaridia Lazaina fa miainga aminy nofinofy lesy ny fianana Finoana arahan’asa no ande ho antenaina Rehefa tsy manao ratsy mo lesy ve tsy otafita fona? Satria efa n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/gaga-aho-ramalagasy
GAGA AHO RAMALAGASY
Aina Nirina
GAGA AHO RAMALAGASY Gaga aho RaMalagasy, Fa avia anie tazano, Baoritra sy taratasy, Dia voarafitra ho trano… Gaga aho RaMalagasy, Fa hay va re ny zaoridira, Na ny tsara na ny ratsy, Tena mbola misy mila ? Ny sakafonao tsy lany, Na ny latsaka an-dovia, Ifandrombahana aok’izany, Sady tena misy tia… Ny hafa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/iny-zandriko-iny
iny zandriko iny
heritreritro
Andriamanitra ô Na inona na inona mba tiako sy niriako Na toa inon’ihany koa lanjan’ny hazo fijaliako Izay anjara fahasoavako, raha mety Ianao aleo atambatra Anandratana ny zandriko ho tonga olon-tsambatra Vao nijanona ny fony, tamin’iny andro iny Tapitra tsy nisy intsony ny ampitsoko sy ankehitriny Foana sady b...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/lainga-marina
Lainga Marina
Ari Ira
Ry IZAHO, Ao ambadiky ny anio izay nandrasantsika teo no misy ny ampitso, hanova ny anio ho lasa omaly, ary hiova ho anio. Ny anio no tena fiainana, rehefa sainina ny ampitso Ny anio no tena fiainana, rehefa sainina hoe omaly satria ny omaly dia anio vao nilaozana androany ary ampitso dia ny anio antenaina mba ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mim/ho-anao
HO ANAO
MIM
Ho zakaiko ihany Na mafy toa inona Ho zakaiko hatrany Ho todiko foana Na sarotra toa inona Na hantsana aza hanoloana Ho aritro izay ratra Na harary toa inona Ho aritro izay latsa Ho babeko, hiafiako Na ho inona no tambiny Raha mbola ianao, ry tiako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/tsiaro
tsiaro
cedarf
Injany fa mirehitra mandoro mahamay ny hiran’ny fitia, Manosika ny foko hitady anao hatrany; Te hiantso mafy ny anaranao akia, Eritreritra mandalo? midify fotsiny ihany. Injany fa tsaroako ny lasantsika mamy: ny lakilasin-tsika, ny làlana niarahana; Injany koa miverina, tsaroako hatrany hatrany, Nangidy indrindr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/avelao
AVELAO
Aina Nirina
AVELAO Avelao izy ho any : efa lafatra ny fiainany Efa habaka hafa indray no mameno ny fisainany… Ny tontolonao tazano f’eny am-paravodilanitra : Misy taratra hazavana manjopiaka mahafinaritra… Mety hisy ihany angamba ny tamberimberin’onja Sy tambolombolon-tsento, mety ho vetivety monja… Odio tsy hita ny fihalon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanahy-fa-tsy-ny-vola
NY FANAHY FA TSY NY VOLA
Fredy Jaofera
NY FANAHY FA TSY NY VOLA Ny fanahy fa tsy ny vola no mahafinaritra ahy mankany raha mihira sy hoe mbola mitady anao hahafaly hatrany. Ny fanahy fa tsy ny vola no mahatamana marimarina raha mitombo fa tsy tola ny fitia tsy hay amboarina ! Ny fanahy fa tsy ny vola no mampazoto hiray tigetra rehefa misy 'zay an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-maso
NY MASO
Fredy Jaofera
NY MASO Ny maso no jery avy amin'ilay Avo natao tsy hamery na tsy hahalavo. Ny maso no jiro manilo irony dia mba milaza idiro na hoe : sanatria ! Ny maso no soa sy anjara sahady tsy ho hita indroa no hoe : saro-pady. Ny maso no teny mahalaza mangina ny foko te ho eny vao mila hafaliana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/sary-an-tsaina
Sary an-tsaina
Ari Ira
Sarisary an-tsaina no indro fa ho antsaina sy hiraina ho anao. Hanao ny nofinofy ho tonga rotsirotsy ho an'ny fanahy ka dia ho fanahy iniana ny hamadika ny ritsoka ho zary ditsoky ny misy izay manitsoka ny vatana vantany vao injay misokatra ho azy ny tontolo manontolony. Hodinganina ny misy mba hampanjakana izay tokon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/kanto-ny-hirako
KANTO NY HIRAKO
Ari Ira
Siatsiakam-borondolo manimbolo razana tsy tazana fa atsipin'ny habaka hanebaka ny teboka mamarana; famerana fisainana ho an'ny fiainana iray. Hiakiakam-pamosavy misoavaly soa tsy avaly fa kaloina am-pijerena tsy laroina fanerena hahasoa azy ho marina; fa tsy hanarina ireo izay mamoy fo. Tanisan-jaza bada lela milaza ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/androngo
ANDRONGO
Fredy Jaofera
ANDRONGO Androngo efa hitako ka na hitsipelika aza, tsy mahataitra ; matoa tsy mba vitako ny ho any hankalaza fa olon-tsy raitra !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/raha-hitomany-ianao
RAHA HITOMANY IANAO
Aina Nirina
RAHA HITOMANY IANAO Raha hitomany ianao, ka hilaozan-tsiky Ny molotrao manify… Ny masonao malefaka ho dibo-dranon’orana Ka ho maizim-bolana Ilay fanahinao… Hangina tsisy rotsy Ny habaky ny nofy… Hanjary fokofoko no hanako eo an-tsofiko Fa tsy ny nofinofiko… Ny fonao tia ahy hisefom-pijaliana, Ho vontom-pahori...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-fitia
RAHA FITIA...
Fredy Jaofera
RAHA FITIA... Raha fitia tsy manan-kasambarana No tadiavinao ho antsika Aoka re tsy atao izay hanaparana Ny tetika mandriaka !… Raha fitia tsy manan-kantenaina No tadiavinao ho ahy, Mangataka aho re tsy hotanisaina ‘zay nahafaly ny fanahy. Raha fitia tsy manan-kianteherana No tanjona eto hatrany, Aoka re fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/anjara
ANJARA
raozigasy
Fanazavana mikasika ireo andian-tononkalo nosoratana : « Mitady vady » « Tonga soa » « Herinandro » « Weekend » « Reveko » « Avoty kely » « Ernestine » « Hody » « Tsenao » ANJARA Misaotra anareo izay nandefa MP na kiana na sitraka bobakabe Vao miainga dia ahitsiko ange azafady Tsy izaho akory no MITADY VA...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ernestine
ERNESTINE
raozigasy
Tohin'ny AVOTY KELY Nesy malala o ! Nesy « Chérie » Aleo atao kôzy mazava izy ity Andao hazavaina ny lalam-pitia Fa tsy isan’andro dia hoe « La City » Nesy malala o ! Nesin’ny foko Ny tiako ange dia ilay miara-manjoko Fa tsy hoe isan’andro ianao miova loko Dia izaho no mi « pondre » mividy « new look » Nesy ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniela/hira-velona
Hira velona!
Andriniela
Hira velona! Tiako tena tiako indrindra ny mihaino hiram-pitia Izay hirain'ireo zavavy mpanakanto amin'ny fony, Saingy mbola tiako loatra raha ianao no mihira akia Fa manaitra ny fanahiko mbola tony dia tony... Ianao indrindra indrindra mantsy no tena mpanakanto amiko Fa mpanazary ny fitiavako hitombo isan'ora......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniela/hira-velona-7321
Hira velona
Andriniela
Hira velona! Tiako tena tiako indrindra ny mihaino hiram-pitia Izay hirain'ireo zavavy mpanakanto amin'ny fony, Saingy mbola tiako loatra raha ianao no mihira akia Fa manaitra ny fanahiko mbola tony dia tony... Ianao indrindra indrindra mantsy no tena mpanakanto amiko Fa mpanazary ny fitiavako hitombo isan'ora......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniela/sambatra-aho-raha
Sambatra aho raha...
Andriniela
Sambatra aho raha... Sambatra ny voninkazo, Misy anao hanoroka azy eny anivon'ny maraina Misy anao hanondraka azy tsy ho maina,tsy halazo... Eny, sambatra izy mantsy...tsy toy ny foko izay mangaina! Sambatra ny rivo-tony, Afaka mitondra ireny fofon-dranomanitrao Ary iainanao mihitsy... He finaritra ny fony, Tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aty-tana
ATY TANA
raozigasy
Tohin'ny MITADY VADY Tonga soa aho leitsy aty Tanà Milay be aty tantaraiko an’ialahy Vao vita ny adidy amin’ny fianakaviana Mandeha amin’izay ny « mission » fikotiana Fa alohan’izany rehetra izany Nanakalo vola ange izaho androany Tonga dia hipoka teo ny sakaosy Bobaka be tsy antonona paosy Ilay « cousin »nay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniela/tsy-ho-mora
Tsy ho mora...
Andriniela
Tsy ho mora... Tsy ho mora tsy akory ny handrava Irony raho-manarona irony Tsy ho mora ihany koa ny hampisava Ny alaheloko tsy mba ho tony Fa tsy ho mora ny hisotro ny ngidy Eo anivon'ny fahamamiana Tsy ho mora kanefa tsy fidy Ny higoka ny rano tsy tiana Tsy ho mora ny hizaka ny zioga Mavesatra tsy eran'ny ai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniela/fitaka
Fitaka
Andriniela
Raha ny masonao akia Dia toa mitaratra fitia... Malefadefaka fijery, Toy ny hazavana mankahery. Ilay tsiky toa hilaza zavatra Sy noheveriko hahasambatra, Lazaiko ho bitsiky ny fo, Kinanjo,inona ary moa!? Fa noheveriko ho vony Hamoaka hanitra ao am-pony... Dia tena babo aho ka nibitaka. Hay,tsilo nohaingoana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/herinandro-izay-no-lasa
HERINANDRO IZAY NO LASA
raozigasy
Tohin'ny ATY TANA Efa herinandro, izay leitsy no lasa Ilay mitady vady aty nivadika asa Ny « retour d’invest…. » izao mbola tsy hay Ny vola mivoaka nefa mahamay Tantaraiko an’ialahy, tsotsotra ary aloha Ireo sipa efa nampiasaiko ati-doha Sahirana ihany leitsy ny « coco » Ny wawa no betsaka fa tsy misy « dodo » ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsenao
TSENAO
raozigasy
Tohiny sady farany amin'ny HODY Tena aleo mihitsy leitsy niantso an’ialahy Fa ilay « avion » hono misy olana angaha Vao io hariva io aho va nisy nampandre Hoe ilay « vol » hono ange « retardé » Ny antony amin’io tsy hay tsy hay mazava Fa gasy hono ialahy dia hoe miandry lava Izay « geste commercial » ts’isy Va...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniela/mitampody
Mitampody
Andriniela
Mitampody. Moa mba tsapanao va re ny alahelon-dray sy reny Ilay mpananatra anao,kanefa ianao tsy nino teny Ankehitriny ianao dia lavo,resy,trotraky ny fiainana Ka satrinao hamoha ny maty fa tsy misy hitarainana. Ilay diavolankelinao tamin'izany andro izany Nivadika ho raho-mainty sy vesarana tomany Kamboty ianao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/weekend
WEEKEND
raozigasy
Tohin'ny HERINANDRO IZAY NO LASA Tsy andriko leitsy izay hiantsoana an’ialahy Fa mientanentana be aho « zah » Nahafinaritra be mihitsy ny « week end » Maika hitantara aho ka mendimendy Revy nilay leitsy ilay tamin’ny zoma « Ambiance » be tao amin’ny « Paprika » Nisotrosotro aho dia « dozidozy » Dia bebe resaka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniela/poeta
Poeta
Andriniela
Poeta... Toa mirindra miaraka amin'ny firindran'ny voaary Ny kalonao poeta Ka mampangetaheta Ny fanahy voangolingolin'ny endri-tsarisary Ny zava-kantonao ...eny, hanoratra aho! Hanoratra aho satria,hay moa mbola misy Mahay mamelona ihany Ny tara-pahazavan' Ny teny mamintsika-nataoko hoe: indrisy! Fa noho ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hody
HODY
raozigasy
Tohin'ny ERNESTINE Nipoaka be leitsy za tamin’ny zoma Fa androany aho vao tena tafaantso an’ialahy Rava sahady ny anay sy Nesy Fa ny azy tsy misy afa-tsy resaka « S » Izaho mba nitsotra nandeha « la verité » Hay ny azy tsy nisy « kôzy » afa-tsy « maté » Izaho nanantena fitia tena marina Hay ny azy kajy no tena ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniela/...tonga-nofy
...tonga nofy!
Andriniela
...tonga nofy! Ny teny tonga nofo Ny nofo tonga nofy Ny nofy lasa kalo Ny kalo tonga kanto Ny kanto toa fanahy Fanahy mamaky habaka Ny habaka eritreritra Eritreritra mandalo Mandalo koa ny nofo Ny nofo tonga teny Ny teny tonga nofy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/avoty-kely
AVOTY KELY
raozigasy
Tohin'ilay REVEKO Tena mila « coup de main » kely aho ry bainina Izaho aty kofona, nefa tsy te ho oainina Efa mihamanify aty ange ilay « chiffre » Tsy araka ilay isan’andro izao mi « s’empiffre » Izaho nefa izao tsy maintsy ho any an-tanàna Hikozy sy hiresaka hoe nahazo akama Hipasopasoka tsara ny pasy Dia hano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniela/fitia
Fitia
Andriniela
FITIA Tazako eny imasony eny toy ny fivelaram-bony Izay hita eny an-jaridaina ny fandrobon'ny fitiavany, Ka ny fakany tsy aiza fa mamikotra ao am-pony... Mba nafeniny tsy ho hitako,hay nipoitra teny an-tavany. Henoko amin'ny fitsikiny,mamerovero sady manitra Ny emboky ny fitia izay nodoroiko tao an-tratrany... N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniela/modia
Modia!
Andriniela
Modia! Any ianao ry tiana, Izaho aty tsy miova fa mbola tia hatrany. Mbola miandry ihany Izay mety ho taratr'andro hoentin'ny maraina Hizara fifaliana, Fa ny aty dia ory... Mahatsiaro isanandro Irony taratr'andro Nindaosinao nankany. Ireo voninkazontsika tery an-jaridaina Nony lasa ianao dia ringitra sy main...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/reveko
REVEKO
raozigasy
Tohin'ny WEEK END Reveko be leitsy ilay Nesy ry bainina a Tena kozy « vrai » fa tsy hoe tantara raim Izy mahavita raha hoe karakara Ny sakafo, ny trano, indrindra ny farafara Ny lamba sasa-tanana, vita tsara ny pasoka Any amin’ny « laverie » mantsy izy matetika vasoka Ny kaly « bio » sady tena « ca va » Tsy ila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotojean/fo-feno-fitia
Fo feno fitia
Rakotojean
Safononoka ny foko, Te hamboraka fitia, Ka ianao no mba antsoko Hitoriako azy 'ty. Ny fontsika roa, Zay hitambatra ho iray, Dia ho sambatra tokoa, Eo ambany fitahian'lay Ray. Inao 'lay nofinidy, Nihantefan'lay safidy. Ka mba raiso sombiniaina Ity foko mitaraina.