url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rick/sarobidy
Sarobidy
RIC"K
Sarobidi amiko ianao tiha mitsiky lalandava sadi misarika mafinaritrahi mande enao ravakiny lalana Mipetraka enao ravaki ny tokatranoko ra tatamo endrikiny fary sahondra ravakiny vato Mitchia Richina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tonom-bavaka
TONOM-BAVAKA
RFE Andria
TONOM-BAVAKA Andriamanitra ô! Mamelà ahy fa hiteny kely aho. Tsy hoe hirehareha na koa hizahozaho, Fa hangata-pitahiana ho an’ireo izay mijaly Mba hivadika ny rasa ka ireo indray no hifaly. Andriamanitra ô! Mba itodihonao ireo mpitondra tena, Sao solafaka na potraka, na koa hivembena. Omeo azy be dia be izany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/voatokana-
VOATOKANA !
RFE Andria
(atolotra sy nosoratana ho an’ireo nivady noho ny fifankatiavana) VOATOKANA ! Ny vadiko tsy azo kitihina Voatokana, tiako homarihina Ny fitiavany : ahy samirery Tandremonareo manirery! Ny fony voatokana ho ahy Ny vatany, sainy, fanahy Dia samy efa ahy avokoa: Izany no voadinay roa Tsy hoe izaho no saro-piaro ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/vatravatra
VATRAVATRA...
RFE Andria
VATRAVATRA... Oram-be mivatravatra Ranonoram-pahavaratra Ilay fitia feno fatra Manangasanga, hita taratra Raho-matevi-mitatao Manavesatra ny lanitra Ny fitiavako anao Mahery vaika, embo-manitra Rivotra mifofofofo Mitsoka toa varatraza Ilay fitia mitora-jofo Ato anaty, vazavaza
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/voahangy
VOAHANGY
RFE Andria
VOAHANGY Vonin-draozy soa sy meva Ohatry ny taranak’i Eva Andrin’ny fianakaviana Hanitry ny fifaliana Anaingoana tokantrano Ny lokony manganohano Gaga ianao rehefa mahita Ylay hakanto Nahary-vita Andriamanitra ô ! tahio Io namako sy reny io Mba hahita hasambarana Eo an-tokonam-baravarana Eny, indrindra tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/izay-mangina-volamena
IZAY MANGINA VOLAMENA
RFE Andria
Izay Mangina Volamena Inona ary no hambara, Fa mitohy ilay tantara Ka mitsoka farara Eo ambony farafara Sisa hany ataon’i Fara? Fa tsy ilaoza-mamarara Ny saonjo iray lohasaha; Ka andeha mba hizaha Raha mba misy koa fanahy Hampitony ny ahiahy; Fa loza loatra anie ry lahy Ny zavatra mahazo ahy! Atao ahoana a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/vavaka
VAVAKA
RFE Andria
VAVAKA Ankiniko Aminao izao, O ! ry Tompo tsy mandao Ity andro anio ity, ny asa rehetra izay hatao Indro apetrako eo Aminao izay rehetra fikasana Mba omeo fahendrena, indrindra koa fahasalamana Hery, tanjaka ara-batana, fanahy, fo sy saina tony Omban’ny herinao Tsitoha, dia ilay hery avy any ambony Mamelà ny hel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rick/mitchia-richina
Mitchia Richina
RIC"K
Mitchia Richina Tiako ianao ry Mitchia Richina handravaka ny tavako, Hankahery ahy hizotra amin’ny lalako, Na ngidy na angola ny rotsin’ny fitiavako, Dia mbola ianao ry Mitchia Richina no tiako ho eo am-bavako… Fa raha tsy ianao ry Mitchia Richina no hitohoka amin’ny molotro, Dia ho longolongo no sisa mba hatolot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/vakiraoka
VAKIRAOKA
RFE Andria
VAKIRAOKA Soratsoratra toa vakiraoka Ny renihevitra, ao no voafaoka Ny firavany izay ny sarinteny Dia tsikaritra ombieny ombieny Rehefa tonga mantsy ny aingam-panahy Ny poeta tsy tafandry lahy Avy hatrany dia mandray penina Manoratra tsy hay afenina Eo mitosaka ny avy ao am-po Ka toy ny efa tsy ety an-tany F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ry-fanadinoana
RY FANADINOANA
RFE Andria
Ry fanadinoana…. Mba aiza ho aiza ry fanadinoana No mety ahitana izany endrikao? Fa ankehitriny aho tsy manam-pinoana Kanefa maniry ny hahita anao. Ataoko ahoana ny ho fanadino Ireo lasa rehetra: mangidy sy mamy Tsaroako ao an-tsaina toa mirimorimo Ka n’inon-katao, tsy afaka ihany? Nefa mahagaga f’ireo zava-dr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/vaky-fo-
VAKY FO !
RFE Andria
VAKY FO ! Dia nitresaka ny fo nahita ny alahelonao ry Tiana Ora maro nifanesy aho tsy nahatsapa fifaliana Lasam-borona eny ihany, tena vaka izany saiko Tsy nahim-poko ny nampalahelo anao ry sombinaiko Toa nanalavitra ahy ankehitriny na ny tory Mitambesatra ato anaty izany foko oriory Miandry marika aminao dia ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rick/fitiavana
fitiavana
RIC"K
fo mitia nomeko anao ,eny am pitiavana Izaho ilay babo efa tia e vonona ny fo sy saina ame fitiavana tsi ahiahi ny f'ianao ihany mbola ianao ihany ianao hatrany ...no mba tiako RIC"K LOVE
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/vita-sikotra
VITA SIKOTRA
RFE Andria
VITA SIKOTRA Malala an ! Vita sikotra ato am-poko Natao sary maro loko Ilay anaranao lalaiko Mba tsy ho afaka ato an-tsaiko. Ilay endrikao sariaka, Ny tantaran’ny fitiavantsika Nanomboka ny niandohany, Ny fizotrany hatrany… Ny nofinofiko anao, Ny hanta sy ny angolanao, Dia voasoratro avokoa Noraketiko ato ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rick/tiko-ianao
Tiko ianao
RIC"K
fa za vao nahita de efa saika nivika atramizai ka atramizao de nampitsiriritra tena marina fa tsi misi tatasika reveko ndri tonga de manitsi fa tsi mihatsara velatsi za kofa fa tsi zoba tsi asiko kozi ambadika Manaja atramy farani ratsi oe enao no ivadika dinio amboni ambany tsi matombona atramy alina mivadibadika le s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/hono-hoaho
HONO HO'AHO....?
RFE Andria
Hono ho’aho …. ? Hono ho’aho, Maty ve ilay fitia Noheveriko ho doria? Fa teny an-tanan’olon-kafa No nahitako anao nitafa, Sambatra sy faly erỳ toy ny mpifankatia. Tsy niteny aho fa nangina Sy variana dia variana. Tsy nahaloa-bava akory, Hany heriko natory. Hono ho’aho ry malala, Moa ianao tsy mankahala? Ti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/vohitry-ny-nofy
VOHITRY NY NOFY
RFE Andria
VOHITRY NY NOFY Tsy noho ny setrinao mambabo izany foko Tsy noho ny rimanao manafaka toloko Tsy noho ny gadonao manaraka ny tendriko Tsy noho ny vinanao mahita ny nafeniko Tsy noho ny masonao mahalala ny hadalako Tsy noho ny vetsonao mikoriana anaty rako Tsy noho ianao mpameno ireo teboteboko Tsy noho ianao mpa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/vazy
VAZY
RFE Andria
VAZY - Nankaiza ange ry Neny ilay voninkazo kely tetsy an-jaridaina ilay vatrako maraina ny manondraka azy ? - Notazako izy anaka nataoko anaty vazy. - Andray re ry Neny ! Ikaloyna Setrin’ny VAZY nosoratan’Ikaloyna… Andray re ry Neny ! Ianao koa tsy niteny Kanefa tiako izy iny Ka ny faniriany Ao an-jarid...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/zanako
Zanako
Tsiroa
Eny nihilana ny andro Satria lasana Ianao Tsy hita intsony ilay masoandro Sombin'aina no nandao Dia lasa ianao ry zanako Malahelo ireo Tiana Tsy tafandry ireo namana Fa nidonam-pahoriana Zato fihainako mangidy Tsy ho hisy intsony fahasambarana Fa tsy ahy ny safidy ngamba izay no fandaharana Ny ranomasoko ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/vavaka-vao-maraina
VAVAKA VAO MARAINA
RFE Andria
VAVAKA VAO MARAINA Andriamanitra ô ! Raha mivavaka aho izao Dia tsy ho ahy fa fantatrao Ilay Malalako izay No tiako ho entina eto indray Ry Rainay be famindram-po Ny helony avelao tokoa Aza avelanao ho lavo Fa asandrato ho amin’ny avo Mba tsinjovinao ny diany Tovy re ny faniriany Fenoy koa ny hafaliany Dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/baraingo
???BARAINGO???
RFE Andria
??? BARAI NGO ??? Ireto tononkalo ireto, hoy ny saiko lasa foana, dia mba hanao ahoana any volana any taona? Moa hivalona ho doria tsy ho hita faty akory, sa mba hisy hankafỳ sy hanangona, hamory? Iny ianao ry tononkalo! Moa hanenika ny tany, hanerana ny lafy valo sa ho levona dia…. any ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tonga-dia-tia
TONGA DIA TIA
RFE Andria
TONGA DIA TIA… Ny fijerinao sy ny ahy Ilay sendra nifanena, tsy ho haiko adinoina Fa mipetraka ho tsiahy Mamelovelo hatrany anaty ka sarotra soloina Ny feonao toa mihira Nandona ny ati-foko, satry ihany hohenoina Feo toa namiravira Ka tsy haiko ny hangina, tsy hiteny, tsy hanoina Ilay tsikinao miavaka Tsy tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/te-hitomany
TE HITOMANY
RFE Andria
TE HITOMANY … (nosoratana noho ny fahatsapana ny alahelon’ny namana iray) Te hitomany aho Tsy fantatro hoe nahoana Ny ranomasoko mitraho Ato am-poko babangoana Totofan’embona aok’izany Sady rakotry ny hanina Ka aiza aho no tsy hitomany Aty Ambohimahamanina?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avo-rakoto/iarivo
IARIVO
Ny Avo Rakoto
IARIVO Iarivo manko, ilay fonenako hatrizay. Iarivo no hantenaiko, hamerina indray ireo lasako fahiny. Iarivo manko, ilay tananan'ny fahazazako. Iarivo no handrandraiko, ho fiorenan'ny fanantenako. Any mantsy Iarivo, ilay tanàna tsy mba foiko. Ny lasako tsiahivo voaraikitra ato am-poko. Dia veloma mandram...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tiako-ianao-malala-an-
TIAKO IANAO MALALA AN !
RFE Andria
TIAKO IANAO MALALA AN ! Fony isika vao nitafa sy nanomboka niresaka No toy ny notselaram-baratra ny foko ka nitresaka Tsaroako ho nidonaka ilay foko izay voadotra Tratry ny afom-pitia ka nibaradaka, nitsotra: TIAKO IANAO MALALA AN ! Izany doboky ny foko rehefa ilay mifamotoana Izay vao mainka mihamafy rehefa io ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tra-boina
TRA-BOINA
RFE Andria
TRA-BOINA Mitaraina Ireo tra-boina Fa mangaina Fitsaboana Fanampiana Zara misy Fijaliana No kalisy Dibo-drano Ny eny an-tsaha Na ny trano Dia raharaha Ray sy reny Very asa Ka manjeny Vasavasa Ny any atsimo Main-tany Mirimorimo Aok’izany Mosarena Ny vahoaka Mivembena Ts’isy apoaka… O! ra-Fanja ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-namela-anao-ho-irery
TSY NAMELA ANAO HO IRERY
RFE Andria
TSY NAMELA ANAO HO IRERY Fony niantso ianao taloha Tamy, tonga aho dia nifoha Ka nanolo-tambitamby Sy fitiava-manana amby Miantso ianao ankehitriny Tsy hafa aho, toy ny fahiny Avy hatrany dia mamaly Sy miezaka hampifaly Ampitso ianao raha hiantso ahy Tsy misy tokony hampanahy Izaho hanoina foana hatrany Tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/aza-mitomany
AZA MITOMANY
RFE Andria
Setrin’ny AZA MITOMANY nosoratan’i Martelle Nath Eny ary fa hoezahiko ny hamoana ny tomany Raha sanatria voasaraka – SANATRIA anie izany – Ka ireo hafatrao rehetra, harahiko sy hohajaiko Hitsiky aho raha azo atao, na tsy izany ny ao an-tsaiko. Ireo kalo maminao, hovetsoiko sy hohiraiko Mba hanainga ny fanahy, ham...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/sambatra-
SAMBATRA !
RFE Andria
SAMBATRA ! Sambatra! eny koa raha sambatra Ny fanahy roa miray, mitambatra Fa migoka, mianoka fitia Maharitra, tsy ho lefy doria… Sambatra ianao nahay nanadino Nandidy ny aloka hisintaka sy mino Hoavy izay mirindra sady kanto Hasambara-lalim-paka sy milanto Vinany diso tokoa ny azy, niheverany Fa tapitra ny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avo-rakoto/havako-izy-izay
Havako izy izay
Ny Avo Rakoto
HAVAKO IZY IZAY Na toy inona,na toy inona Dia havako izy izay. Ka aza ataonao tsinontsinona Fa tsy fantatra ary tsy hay, izay havoaky ny ampitso. Na mananana,na ory Dia izy foana no havako Na mitsangana aho na matory Dia tsy miova ny fitiavako. Na inona no asany Na inona kinasany Dia havako izy izay Na toy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tiako-raha
TIAKO RAHA...
RFE Andria
TIAKO RAHA… Amin’izato vaninandron’ny ririnina mamirifiry Tiako raha ny orokao, tsy tanisaina hoe impiry No hamonto hatrany anaty tosatosak'hafanana Ny oroky ny molotrao no hany tena manafana Eto an-dalan’ny fiainana isan’andro izay diaviko Tiako, eny satriko raha ianao no hosakambiniko Hiara-dalana amiko, hiara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-lavitra
TSY LAVITRA
RFE Andria
TSY LAVITRA… Ny vorona taitram-basy Tsy mijanona tsy any Itasy Fa ianao raha mifindra lasy Tsy avelanay hangasihasy Hovangianay matetitetika Hotsidihinay mbetimbetika Tsy avelanay hahatsiaro ho irery Indrindra hoe tena very Handefasanay hafatra eto Raha mandeha ny aterineto Hafana ny ONJAM-PITIA Ampitain’ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-haiko
TSY HAIKO
RFE Andria
TSY HAIKO Tsy haiko ny manova ny mainty ho lasa fotsy Ka handangolango, handainga, handrotsirotsy Tsy haiko ny hamindra, tsy taitra, moramora Anefa aho te-hiolomay hanenjikenjika ora Tsy haiko ny hangina ka tsy hiloa-bava Kanefa ny ato am-poko misoritra eny an-tava Tsy haiko ny hanafina ary tsy hikalo Ireo hira...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/izaho-koa-tia
IZAHO KOA TIA
RFE Andria
IZAHO KOA TIA Mirohondrohona ato am-poko akia ny onjaonjan’ny fitia Mandrotsirotsy ny fanahiko izay tena babon-dry Toy ny hitako anoloana ilay salovanao izay mamiko Toa mamerina ireo bitsi-pitiavana nataonao tamiko Tsy mba sary loatra intsony raha ny fahitako anao Fa toy ny tena izy ny fahatsapako ny fanatrehanao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-misy-lohateny
TSY MISY LOHATENY
RFE Andria
TSY MISY LOHATENY Mangingina izy izany! Lasalasa vinany Sa manimanina ny any No toa tsy reren-tany? Izaho kosa andeha hatory Hitondra an-nofy ny fitiavako Mitia irery aho ka oriory Kotsan-drano izato tavako… Ianao kosa mahereza Fa ny fitiavanao dia ngeza Mahasambatra satria Ianareo dia SAMY TIA ! Ka hoy ah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/soa-fa-teo-ianao
SOA FA TEO IANAO...
RFE Andria
SOA FA TEO IANAO… Ranomasina manonja Na dia ora vitsy monja Ranomasina manjepy Onja mampirepirepy Soa ianao fa teo anilako Nanitsy ny fijery vilako Nampibanjina ahy hatrany Hifantoka amin’ny hatsaràny
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/serana
SERANA...
RFE Andria
SERANA… Raha sanatria miselontselona ilay rivotra mpandrava Dia iangaviako ianao : ny tsiaron’ny fitia atao ranolava Ary ilay fitiavana voalohany no ataovy tanisa sy litania Mba hamelomana azy indray ho mandrakizay doria Dia ny vavaka mafana koa no ampiakaro isan’andro Dieny raha vao mifoha mandra-podin’ny masoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-antom-pisiako
NY ANTOM-PISIAKO
RFE Andria
NY ANTOM-PISIAKO… Mety aho fa misaotra nanasa ahy ho namana Hizara fifaliana ho an’ireo te hanana Sy andeha hifarimbona hizara ilay fitia Ny antsika mantsy KANTO fa atao am-POEZIA Ka izao tontolo izao, hataontsika ampoka Fitia mitomandavana fa tsy hoe fitia tampoka Atolotra manokana ho an’ny namana eto Amin’ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fomaratra/aleveno
ALEVENO
Fomaratra
Iriko indrindra, aleveno aho ho fongana Tsy hiseho masoandro intsony Ka ny fara-potipotiko aza misy ho tsarovana F'aleo hihidy mafy hiara-miafina amin'ny fony Aleoko aho tsy misy toy izay ho an'olon-kafa Fa iny olona iny, iny ihany no ho fetraka Ka raha tsy ho ahy izy dia aleo ny androko hifafa Nefa mba misy haf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tongava-soa
TONGAVA SOA
RFE Andria
TONGAVA SOA Any ilay Malalako, Raha ianao ilay nanambara, nilaza ho avy sy handalo Dia niontana ny foko, Foana teo koa ny toloko Ary niala teo amin’ny endriko ny alahelo nampimalo Raha namaky ny hafatrao aho dia akory ny haravoako Tena faly, miramirana Adinoko izay nanahirana Fa toa hitako sahady, azo an-tsar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-te-hahalala
TSY TE HAHALALA
RFE Andria
TSY TE HAHALALA … Izaho akia malala efa vonona dia vonona Ny hihaona aminao any Ambohitsitononina Hatry ny fony aho nampiomana omaly No efa tsindrian-daona ny foko falifaly Fa raha ny hariva no tianao hahatongavako Tsy maninona izany fa hotoviko rahavako Izaho tsy te hahalala izay mpiray tanàna Fa efa dodona ah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/niantefa
NIANTEFA...
RFE Andria
Niantefa an’anjoanjo ? Niteraka fitia kinanjo Fitiava-namololona Fitiava-nitambolona Nitrebona ary namaka Dia nihanahazo laka Tao am-pontsika avy Nihanahery, aviavy Fitia tsy hay notohaina Zary niankinan’aina Mampanadino ny rehetra Fa fitia tsy voafetra…
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/maraina-vaovao
MARAINA VAOVAO
RFE Andria
MARAINA VAOVAO Ny ampitson’iny indray Maraim-baovao tamin’izay Nibaliaka ilay masoandro Rehefa injay nisandratr’andro Ka iny faravodilanitra Notazani-mahasalanitra Fa namelombelona aina Ilay tara-bao-maraina Manamarika mantsy iny Fa efa lasa ny fahiny Ka dia pejy vaovao No hosantarina izao Ilay nandrasanao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/celestinmyrai/tsy-sitra-poko
tsy sitra-poko
H.J Myrai
TSY SITRAPOKO maha toa aho nampirafy dia nisy tsy ampy ny fitia natolotrao fa tsy izaho no be lalao... Raha nizara roa ny foko dia tsy hoe sitra-poko no niavin'izany fa noho ianao ihany matoa aho namela anao irery dia tsy adalako velively raha toa ianao ka niezaka nikolo ahy mba hivelatra raha toa ianao to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-helo/ora-iray
ora iray
Ny helo
ilay ora iray sarobidy ,nahamaloka ny andro iananao, izaho mantsy ilay voafidy ,handao ity fonenao zakao mangina ao am-po, fa izao ilay anjara voafidy, ny fianana mantsy tsy ananan-droa,ka mionona na dia mangidy. ventsoventsom-po angamba sisa soratako ho ahy,hodiako any @mandrakizay,tsarovy ilay teny iray,sarobidy il...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/toa-tsy-haiko-atao
TOA TSY HAIKO ATAO
RFE Andria
TOA TSY HAIKO ATAO Toa tsy haiko atao Ity tadiavinao K’aleoko dia mangina Mitsinjo ny aoriana F’izaho koa mba tia Tsy sangy, tena tia! Tsy azoko atao Ny handrafy anao Fa ny faniriana Iraisana ry tiana Ka antsoy aho hoe “malala” F’aza misalasala
https://vetso.serasera.org/tononkalo/celestinmyrai/tia
tia
H.J Myrai
Tiako Tiako ianao Tiako ho ahy tsy hitambarana Ny fonao Tiako ho ahy tsy sasahana Ny vatanao Tiako ho ahy tsy kasihin’olo-kafa Ny harenanao Tsy tiako hisy hanjaka Ny feonao Tsy tiako hisy handre Ny jerinao Tsy tiako handehandeha Ny tananao Tsy tiako hisy hitantana Ny tendanao Tsy tiako hisy hamankana N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/misaotra-ray
MISAOTRA RAY
RFE Andria
MISAOTRA RAY ! Nisamboaravoara ery ny fiainanay aninkeheo Saika nampangaihay sy nahavelona toreo Nefa kosa re ry Ray, soa hatrany Ianao fa teo Niteny tamim-peo tony : “ny FITIAVAKO jereo!” Ilay sandrinao mahery no natsotranao hitantana Ny fidiranao an-tsehatra , tena tsapanay mivantana Hoy Ianao: “fa ny zanako, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/nambarako
NAMBARAKO
RFE Andria
NAMBARAKO… Izaho saiky tsy hilaza Sao dia toy ny lalaon-jaza Dia ankamantatra ihany Vazivazy kanjo izany… Izao dia izao aho hanambara Amin-kira sy farara Arahim-baliha tsara feo Ny nihaonantsika teo: Any ho any ilay tanàna Vohitra izay mahatamana Tao isika no nisangy Niara-nilalao voahangy Vatosoa sarobidy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/resy-anady
RESY AN'ADY
RFE Andria
RESY AN’ADY… Hionona aho raha tsy tiana f’efa izay no anjarako Lasa feno fahoriana sy ranomaso ny tantarako Ny alahelo tsy haiko afenina efa mahamenatra olona F’efa niady aho ka dia resy ilay fitia vao namololona Ady mantsy hono ianao, eny ianao ra-Fitiavana, Dia nalavonao ity foko teo an-tany hay sy ngazana Fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/hasina-tabiha
HASINA TABIHA
RFE Andria
HASINA TABIHA Injao fitarainana reko any ho any, tena manako Hay tsy iza f’Ianao ry Fireneko no toy ny voalako Feo maha ontsa toa minaonaona Mandavan-taona… Ireo izay natao mba hamelo maso ny soa notoavina No indro nanao toa valalan’amboa sy nanavangavana Indrisy ry Taniko, ry Fireneko! Naleoko tsy teto… Anke...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/saingy
SAINGY...
RFE Andria
Saingy… Tena diso aoriana loatra izato fanazavana Fa efa an’olona ny foko, efa lasa fa tsy tana Efa manana olon-tiana aho ary tia sy tamana Ny fitiany nosokafany ho ahy midanadana Ka na dia toa mahaliana aza ireo tsiambaratelo Sy mandona ny fanahy, ny ao am-po mamelovelo Aza tsiny raha toa aho ka tsy hanongilan-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mbola-hitia
MBOLA HITIA
RFE Andria
MBOLA HITIA… Dia nitia tokoa aho… Tsy nizahozaho Na niavonavona Nanakatra ny zavona Fa natolotro avokoa Ny fitia tao am-po Kinanjo tsy nahoany Mainka nohadinoiny… Na izany aza re Tsy handevin-tsotrobe Fa mbola hitia indray Ilay malalako izay Io tiako io hafakely Fa mifanahin’anjely Ny fitiavany modely N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-haronny-mpanjifa
NY HARON'NY MPANJIFA
RFE Andria
NY HARON’NY MPANJIFA Ny haron’ny mpanjifa, avia anie jereo Nentiny niantsena vao maraina aninkeheo Dimy arivo ariary no nentiny ampiasaina Hividianana sakafo mba hamelomana aina Dia nivezivezy teny, nanketsy nankeroa Nanontany vidin’entana fa mba ho aiza moa Ny hena aloha tsy takatra, lafobe izaitsizy Raha tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-tontolo-androko
NY TONTOLO ANDROKO
RFE Andria
NY TONTOLO ANDROKO Ny maraina vao mifoha Dia ianao no ato an-doha Rehefa miarina avy teo Tsy miova ny miseho Ianao foana no ato an-doha Mandritra ny sakafo koa Raha mbola eo am-pandroana Sy avy eo am-piakanjoana Eny an-dalana hiasa aloha Ianao hatrany no ato an-doha Mandritra ny fotoam-piasana Dia tsy natao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-lalantsika
NY LALANTSIKA
RFE Andria
NY LALANTSIKA Tetsy Ambohitsilazaina ny lalantsika no nihaona Velon-kira ny tontolo, vetso hamaky lohataona Hampidify ny ririnina manjombona sy mangatsiaka Teo ny lalanao sy lalako no tafaray ho lalantsika Alofan’ala maitso mavana, tontolo maha te-hizaha Ravaham-bony soa sy kanto maniry ery an-dohasaha Eny an’ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/misandratra
MISANDRATRA
RFE Andria
MISANDRATRA Dia nisandratra ilay Kintana Fa efa tojo izany vintana Niha namiratra miavaka Eny anivon’iny habaka Ary izany ve ? satria Onjaonja-pitia No tara-kevitra voiziny Sady lala-notohizany Eny an’habaky ny nofy… Io fitia io no tohofy Raha te hiano-pahasambarana Sy hafaliana tsy mifarana O! ry Kintana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-helo/doria
Doria
Ny helo
ilay doria niriko izay sisa no mb fanantenana fa ireo maro niafiko Tsy levona ary tsy maty ry malala fahatsiarovana no mameno ahy inty mantsy ilay ora doria doria,doria izany no mampanahy doria ho anao irery angamba ry tia ilay mirakitra ireo kanto izay nosoratako t@ora maro fa ilay tononkalo milantolanto na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tankina
TANKINA
RFE Andria
TANKINA Te hanoratra ho anao aho re ry aiko Hilazako ny ao am-po sy ny ao an-tsaiko Te hanoratra ho anao aho ry Malala Hamboraka fitia ts’isy sahala Saingy vahotra ny peniko ary sina Hany heriko dia mitia anao mangina… Te hanoratra ho anareo aho ry namako Dia ho anareo mpiara-dia sy akamako Nefa izany ranomai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/nofiko-hono-7570
NOFIKO HONO
RFE Andria
NOFIKO HONO… Nofiko, hono, io maraina io Ianao namoha ahy tamin’ny oroka madio Endrey ny hafaliako nianoka izany Toy ny am-paradisa fa tsy nandia tany… Nofiko, hono, indray atoandro izay Fa izaho sy ianao niara-dia hatrizay Endrey ny hasambarako, tsy nahitan-teny Nifalihavanja taminao ombieny ombieny… Nofiko, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/manirery
MANIRERY
RFE Andria
MANIRERY … Alina ny andro, efa mipaika ny amin’ny roa ; diva alina maraina Izaho tsy pizinin-tory, masoko midiridry, lasan’embona ny saina Miantefa any aminao ilay malalako any ho any, ny fisenton’ny fo Alina mangina, ali-maizim-bolana, ali-mangatsiaka koa Ny fanahy tsy mitombina te hankany aminao, te hianoka fit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ilay-malalako
ILAY MALALAKO
RFE Andria
ILAY MALALAKO… Any ho any hoy ianao? Tsia dia tsia! hoy izaho… Tsy mba nofy sanatria fa dia misy, tena misy Izay Malalako izay, manjopiaka toy ny lisy Kanto toy ny vonin-draozy vao mivelatra maraina Tsy dia lavitra any ho any fa efa monina ato an-tsaina Isan’andro dia ventesiko toy ny hira ny anarany Dia toy iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/malala-niaina
MALALA NIAINA
RFE Andria
MALALA NIAINA Teny mamy isan’andro Vao mipoaka ny masoandro No miloaka ireto molotro Ho toy ny voninkazo atolotro Teny mamy hoe: TIAKO IANAO ! Hatrizay ka hatramin’izao Mandra-pialam-pofonaina: Tiako ianao Malala Niaina !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsingerin-taona
TSINGERIN-TAONA
RFE Andria
TSINGERIN-TAONAKO Ny tsingerin-taona nahaterahako Tsy raharahako Na tsy misy mahatsiaro Na tsy maro Fa fotoana iray izay anolorako Amim-peo goragorako Ny fisaorana eram-po sy am-panahy Ilay Ray nitahy Eny, Tompo, mankasitraka indrindra Ireo rindra Nandaminana, nitondranao ny fiainako Tsy voasainako Ekeko, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/voninkazo-voarara
Voninkazo voarara
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Atolotro ho anao,ity ady rimako ity Ianao,eny,mantsy,ilay voninkazo voarara... Atolotro ho anao,ny fo izay tena tia Atolotro ho anao,eny,na dia tsy ho anjara! Tiako loatra anie ianao,saingy nofefena! Izany akory tsy midika fa hietry ny fitiavako! Na dia rarana aza aho,indro mbola hanantena Ka hilofo hatramin'ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/fiononana
Fiononana
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Nahoana ny fitiavany no toa maro loko? Zavatra fantany moa fa ny foko...! Anatin'ny foko mankafy azy indrindra, No misy fitiavana tsara mirindra! ...Ny familafilany no toa tafahoatra! Indrisy,eny,mantsy mila hampitroatra... Na manao ahoana anie fitiavana rehefa tsy anjara, Mila mahay mionona,f'izany no tsara! N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/malahelo
MALAHELO...
RFE Andria
Malahelo izato foko Fa nandratra anao ny teniko K’indro aho mifokofoko Mitomany fa tsy afeniko Indrisy mantsy akia Malala Rano very tsy hay raofina Ilay vavako adala Ka ranomasoko no kaofina…
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ity-ririnina-ity
ITY RIRININA ITY
RFE Andria
ITY RIRININA ITY Mangatsiaka loatra Ity ririnina ity Mila hampitroatra Ity ririnina ity Mampijaly vahoaka Ity ririnina ity Tsy mampisy laoka Ity ririnina ity Manjombonjom-dava Ity ririnina ity Tsy mahamiran-tava Ity ririnina ity Maha manirery Ity ririnina ity Nanokatra ireo fery Ity ririnina ity Maha m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/izaho-sy-ianao-mira-isika
IZAHO SY IANAO MIRA ISIKA
RFE Andria
IZAHO SY IANAO MIRA ISIKA Malala an! Fony mbola IZAHO irery fa ianao tsy teo anilako Zary tany hay ny fiainako fa nitady anao ilay silako Nipopopopo sy nitety vazan-tany ny fanahiko Nikaroka, nitia sahady an’ilay fitiavanao: ilay ahiko Fony mbola IANAO irery fa tsy teo koa aho, tsaroako Fa ilay fo kelinao, tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/ilay-nofinofiko-alina
ilay nofinofiko alina
cedarf
Ilay nofy mamiko alina izay nitondrako anao tanaty fahasambarana; fitiavan'anjely tsy hanampitsaharana. ny teo ankaikinao. fitiavan-tena sambatra nanadinoiko tany, heveriko any an-danitra, fa mifankatia ka mirana finaritra; kinanjo nofy ihany. ny teny mamy maro naborako hoe:"tia", nankasitrahanao, dia faly an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/horohorom-pitia
HOROHOROM-PITIA
RFE Andria
HOROHOROM-PITIA Izaho angaha nampatory no hoe: nampifoha? Ianao no he niafina, tsy te hijery ihany koa Tsy ho dify ny salovako raha ianao nibanjina ahy Ny nofoko ihany no tsy teo fa tsy ny fo amam-panahy Izaho Malala tsy nandao fa teo anilanao hatrany Ny fitiavana ao am-poko toy ny horohoron-tany Tena sarotra ad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/izany-ve-ianao-dia-tia-
IZANY VE IANAO DIA TIA ?
RFE Andria
(Nosoratana ho famperitreretana ireo izay milalao ny fon’ny hafa) IZANY VE IANAO DIA TIA ? Izany ve ianao dia tia? Mampahory, mampijaly tsy mba miezaka hampifaly, manangana ady isan’andro mandra-podin’ny masoandro…? Izany ve ianao dia tia? tsy mahafoy ho an’ilay tiana izay vao mainka ampihafiana sady koa ampi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mahatsiaro-ho-irery
MAHATSIARO HO IRERY
RFE Andria
MAHATSIARO HO IRERY Raha hitomany aho fa manonja ny alon-drano Tsy hataoko fantatrao, fa hohidiako ny efitrano Aoka hanorika mangina hamonto izany tavako Ny ranomasoko mitobaka tsy voafehin’ito vavako Ny sentosentom-poko hokoboniko ho ahy irery Rehefa injay aho mahatsiaro ho singan’olona toa very Ireo hira mamin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mahereza-
MAHEREZA !
RFE Andria
MAHEREZA ! Aza mitanondrika ianao fa mitrakà ! Ny Tompo eo hatrany ka aoka tsy hanahy “Antsoy Aho”, hoy Izy, amin’ny andro fahoriana “Dia hamonjy anao, hanala fijaliana” Ireo teny fikasana ireo no saino sy banjino Dia mivavaha mafana (ny varavarana arindrino) Amin’ny fiainanao rehetra, aoka ianao hatoky Azy Fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ilay-orokao
ILAY OROKAO
RFE Andria
ILAY OROKAO… Somambisamby tamin’izay no nifanoroka isika Tsy tsaroana kely akory ilay ririni-nangatsiaka Ny orokao tena mamy no toa afo nanafana Izany tenako tontolo nihovitra toa nigagana Hotsarovako hatrany raha iny orokao iny Ilay indray takariva mahatsara ny vahiny Nalain-kisaraka isika, nangina koa tsy nite...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/hasambarana
HASAMBARANA!!!
RFE Andria
HASAMBARANA!!! Faly aho, tena faly ! Tsy satria hoe afa-jaly F’afa-nanoroka ilay tiako: Tanteraka ny fifaliako! Ny nonofisiko dia to: Nifamihina isika roa Hasambarana aok’izany Toy ny tsy nandia tany… Sambatra e! tena sambatra: Ny fontsika roa nitambatra Ny tenantsika nifandray Mova tsy toa olona iray Dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/lavi-tiana
LAVI-TIANA
RFE Andria
LAVI-TIANA Any lavitra any ianao r’ilay vadiko malala Fa izaho koa aty matoky sady tsy misalasala Na dradraina ombieny fa ny lavitry ny maso Tsy azo hihodivirana, izay mantsy ilay ankaso Dia tsy maintsy ihany koa ho lavitry ny fo Fa tsy mba toy izany ny fifankatiavantsika roa Ka na lazaina aza fa ny afo lavi-t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/mba-rahoviana-
Mba rahoviana ?...
Djaw
Mba rahoviana ihany akia ? Mba hifankahita, hihaona amin-dry ; Fa te hiresadresaka, hifampitafa aminao ; Fa te hahita anao, hifampizara vaovao. Mba rahoviana ihany akia ? Isika roa no mba afaka hiara-dia ; Tsy misy izay mandrara, mamatotra ; Tsy misy mampitebiteby, mampatahotra. Mba rahoviana ihany akia ? No m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ho-anao
HO ANAO
RFE Andria
HO ANAO… ! Ho anao ry namako iny Tsy noho ny tsiny Fa mba hamerenana eny imolotrao ny tsiky Sy hanafoanana ny alahelo izay nikiky Ho anao irery sisa Amin’ireo maro analinkisa No iverenako ilalana ka hanoratra indray Noho ilay fitia mivaivay Tsapako avy aminao Izay tsy nionona amin’izao Fa nanjary nalahelo N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/malahelo-ny-foko
MALAHELO NY FOKO
RFE Andria
Malahelo izato foko Fa nandratra anao ny teniko K’indro aho mifokofoko Mitomany fa tsy afeniko Indrisy mantsy akia Malala Rano very tsy hay raofina Ilay vavako adala Ka ranomasoko no kaofina…
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/veloma-rahavako-
Veloma rahavako !
Djaw
Nataoko ny nangina, tsy niteny… Nanoloana izay zavatra nitranga ireny. Nefa tsy mba mety manaiky ny saiko, Satria saika nanafitohina ny aiko. Tsara lahy izay fiarahana fahiny izay ! Soa lahy izay fihavanana taloha izay ! Fa toa masoandro nosaroman-drahona, Toa lasa ranom-boankazo nasiana vahona. Sendra ny akang...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fahatsiarovana-7533
FAHATSIAROVANA
RFE Andria
FAHATSIAROVANA Tsinam-bolana izay mampisento Tsiahy anao no voiziny eto Ireo sangy nataontsika fahiny Tiako haverina ankehitriny Iny volana iny mantsy re ‘roy Mitahiry tantara tsy foy…!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/handihy-ianao-sa-hitomany
HANDIHY IANAO SA HITOMANY?
RFE Andria
HANDIHY IANAO SA HITOMANY ? Rehefa higadona ilay ora izay handaozako ito tany, Handihy ianao sa hitomany? Eny, ianareo rehetra izay mifampikasika amiko ireo: Moa hifaly ve sa hitoreo? Lasalasa mantsy izany saiko dieny mbola velona eto: Handatsa ianao ve sa hisento? Fa fantatro ihany fa tsy soa sy tsara na mamy a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/anjara-malala-tiana
ANJARA MALALA TIANA
RFE Andria
ANJARA MALALA TIANA Nitataovan-draho-matevina Izany lanitry ny foko Tamin’ilay nisara-tiana Toa hazo amoron-tevana Tsenain’ny rivotra toloko Nifatraram-pijaliana… Tapa-kevitra aho tamin’izay Ny hanidy varavarana Tsy ho seranan-tsento intsony Tsy hiondran-tsambo indray Hikatsaham-pahasambarana Hitadiavana fo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/aza-ilaozana-aho
AZA ILAOZANA AHO
RFE Andria
AZA ILAOZANA AHO… Ianareo izay mikatsaka ny kintana Ianareo izay miaina anaty nofy Ianareo maherifon’ny habaka Manana fo lehibe noho ny tany Omeo ahy ny herijiky Ento aho any lavitra eto Aza ilaozanareo aho Fa avelao hanara-dia anareo Ianareo misidina mitety tanàna Avelao aho hiaina Ilay dia tsara indrindra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/nahoana
NAHOANA...?
RFE Andria
NAHOANA… ? Nahoana kosa ho’aho akia No dia horaiketina an-diary Ny fizotry ny fitia Fa tsy haseho an-karihary? Ianao vonona hisedra Izaho vonona hizaka Satria ity tsy rendrarendra Fa fitiava-lalim-paka Ny fatoran-tsy nafehy Fa nahandrotra ihany Fa ny antsika ilay kofehy Dia naharitra hatrany Koa ‘ndeha ary...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/aza-kivy-mahereza
AZA KIVY , MAHEREZA
RFE Andria
AZA KIVY, MAHEREZA ! Ho antsika rehetra izay mijaly Marary, eny koa manaintaina Aoka ho mirana sy ho faly Hisaotra mbola velon’aina Aza atao hoe: izao no anjara Ka tsy maintsy hozakaina Mety ho mbola hihatsara Izay no irariana sy antenaina Koa fadio izay hoe ho kivy Aoka hahery fo sy saina! Ny fisedrana mant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/andro-faha
ANDRO FAHA...
RFE Andria
Halako izato tenako… Ny efa vita nanenenako Raha izay no nampaharary Sy nandratra ilay voahary Kintan’ny habaky ny nofy… O! ry molotro, tohofy Ny kapoaky ny mangidy Mendrika ahy tsy an-kifidy Ny voady ataoko anio ry tiana Tsy ho tontolom-pahoriana No iriako ho anao sy ho ahy Fa ao an-tsahan’ny fanahy Tontol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/baraingo-7525
BARAINGO
RFE Andria
Mizotra mankaiza ny fiainako ity Mankany ankavanana sa miankavia ? Aiza no toerana izay hiafarako? Fa hatramin’izao toa manakotsako Aiza no tanjona izay hitodiako? Sao dia ho ratsy no tena ahiako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/anombino
ANOMBINO
RFE Andria
…ANOMBINO… Mba anombino kely avy ao am-ponao ilay afo Ka ento hamanàna ity tenako mitady safosafo Fa kaikerin’hirifiry izato foko hatrany anaty Hirifiry noho ny hatsiaka efa ho antara-maty Ny afon’ny fitiavanao, rahavako, no antenaiko Hampangotraka ahy indray sy hamelona ny aiko Taratara aminao anie aho ka aza a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/dindonny-omaly
DINDON'NY OMALY
RFE Andria
DINDON’NY OMALY Embonembona sisa tavela Novimbinin’ny rivo-nifofo Velovelon’ny omaly tsy ela Tsy nindaosin’ny ora-nijofo Hanina anao tsy eo anilako Any lavitra tsy taka-maso Any mantsy ianao r’ilay silako Anaovan’ny sompatra ankaso
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/diso-ve-aho-
DISO VE AHO ?
RFE Andria
DISO VE AHO… ? Diso ve aho raha naneho hasarotam-piaro Ka niteny sy niangavy hoe “mba atsaharo!” Ny hosoka atao amin’asa soratry ny hafa Tsy mitondra mankaiza fa vao mainka mampijafa? Diso ve aho raha avy hatrany dia nitroatra Ka nikorisa izato peniko, nanoratra, sendaotra Fa ny fananan’ny namako, dia ny sangan’...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/firaisam-po
FIRAISAM-PO
RFE Andria
FIRAISAM-PO… Izaho avy no ontsa sy vesaran’alahelo raha sendra anao tomany Satriko aza ho teo anilanao hamaoka izany ranomasonao nikoriana Hanambitamby anao, no sady ho nampahery tamin’ny feo sy teny mamy Angamba mba ho nampitony ny alahelo sy ho nivimbina hafaliana… … Indrisy mantsy ry fitiavana! Lakalaka ny fiai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ezaka
EZAKA
RFE Andria
EZAKA Na impiry aho no lavo Mbola hiarina hatrany Ka hibanjina ny avo Tsy hiladina an-tany… Na impiry aho no tsy afaka Mbola hamerina indray Tsy hijanona ho solafaka Dia ho tafita amin’izay… Na impiry very lalana Tsy handrotsa-dranomaso Fa hamindra mahalana Handreseko ny ankaso… Na impiry no tsy hanjary I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/aoka-hivalona
AOKA HIVALONA
RFE Andria
AOKA HIVALONA Dia lasana any lahy ianao Nandao ahy tsotra izao Nefa toy ny eto hatrany Ny momba anao milaza izany: Ny feonao manako am-poko Ny ato anatiko mihoko Dia toa manambara foana Fa ilay teo mandra-pihaona Tsy misy miova ny tontolo Fa ianao no te hanolo Izaho mbola ilay taloha Mirakitra fitia am-po ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/diavolana
DIAVOLANA
RFE Andria
DIAVOLANA Tamin’ilay diavolana toy ity no efa masaka tan-tsaiko Ny hanoroka anao; nefa asa teo akia… tsy haiko Fa saro-kenatra aho angamba ka niahotra ny molotro Ka nanjary tsy voambara ny fitia saika hatolotro… Rehefa tonga toy izao ny alin-diavolana somamby Misoko ny hanina anao, mampanonofy tambitamby Te ho e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/farany
FARANY
RFE Andria
FARANY Androany akia, - Tsy hoe ho doria – No farany anoratako amin’ny endri-tononkalo Rahampitso aho hiverina ho anisan’ny mpandalo Hijanona ho mpankafy Sy ho mpankatia Ny asa soratr’ireo namana Izay efa tena havanana Eo amin’io sehatra io Ka anio Ity mihitsy mantsy aza - Tenin’olon-dehibe fa tsy hoe hevi-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/anjara
ANJARA
RFE Andria
ANJARA MALALA TIANA Nitataovan-draho-matevina Izany lanitry ny foko Tamin’ilay nisara-tiana Toa hazo amoron-tevana Tsenain’ny rivotra toloko Nifatraram-pijaliana… Tapa-kevitra aho tamin’izay Ny hanidy varavarana Tsy ho seranan-tsento intsony Tsy hiondran-tsambo indray Hikatsaham-pahasambarana Hitadiavana fo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mba-satriko-aza
MBA SATRIKO AZA...
RFE Andria
MBA SATRIKO AZA … Toy ny rano ao an’ala, madio, mahafaka hetaheta Ny fitiavanao rahavako, fitia tsy mitetateta Fa fitia izay mandravaka ny fontsika mifangia Satriko aza ho eo foana, higoka ilay fitia doria… Tao an-jaridainantsika izay ravaham-boninkazo Voninkazo tsara loko , voronkely koa nivazo No nifamboraka i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/alina-ririnina
ALINA RIRININA
RFE Andria
ALINA RIRININA Alina ririnina Ali-mangatsiaka Tsy maha te hatory Irery ao am-pandriana Ali-mampaninona? Ali-mampihiaka Ali-mampahory Ali-lavi-tiana… Indrisy !!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/dada
DADA
RFE Andria
NOSORATANA TAO ANATIN’NY FANGORAKORAHANA MIFANGARO HATEZERANA, ANIO 10 MAY 2014, NOHO NY FANDRENESANA TRANGA MAMPALAHELO NIAINAN’NY ANKOHONANA IRAY NOHO NY TOETRA TSY MENDRIKA NANANAN’NY RAIM-PIANAKAVIANA : DADA ! Da…da ! Da…da !... hoy aho nibadabada fony nianatra niteny Saingy i Neny, i Neny foana ombieny ombi...