url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/tsiky-avy-ampony
Tsiky avy ampony
raozy mainty
mbetika izy no mandinika ilay sarinao mitsiky dia mba mitsiky ko ny molony f'indrisy tsitanao akory ilay tsiky avy any ampony toy ilay hasehony rehefa hiaona iny ianareo.... Nahiratro ilay masoko efa difo-dranomaso ny fidobokin foko te iteny hoe andraso aza ilaozana eo ny nofy mamin fitia fa mba endraso ho tonga l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/assanrj/harivanalahady
Harivan'Alahady
AssanRJ
Fa toa olona nifankahalala ela tany aloha Ny olona ary gaga raha naita atsika roa Fa dia nifadray sahady tsy nisy fasalasalana Tamin'ilay harivan'Alahady nilaozana hafanana Ny erika nifafy toa tsy tsapatsika akory Fa nifaly sy niravo lavitry ny sorisory Dia samy nanadino izay nisy teo aloha Fa ny hamonjy ny fodi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tom-razafy/diso-lalana-
DISO LALANA ?
Tom Razafy
DISO LALANA Endré zato endrika maloka an’ity vehivavy antitra ? Vakiana fotsiny ny ao an-tsainy hoe : mankany amin’ny lanitra ! Mahatsapa ny fahanterana sy ny fanakakaizan’ilay ora ? Dia nitsiky ank’alahelo niarahaba an’ilay tanora ! Satria nahatsiaro tany an-tsainy tampoka ny fahatanorany ; Dia nisaina ank’alahe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/fo-mifangia
FO MIFANGIA
harylovah
Asio pi-maso sy tsiky miangola 'Lay olon-tiana raha mbola maraina Ny tambatr'ireny dia mihoatra ny vola Hasim-pitiavana tsy hay hazavaina Mahaiza mihaino 'reo zava-takiany Asio fiheverana izay ao am-pony Dia ho tsapanao ny tena hamamiany Ianao hifikirany, tsy hosoloiny Satria fanajana ny tiana malala Ny fanolo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tianarakotoarimalala/hitomany-aho-satria
hitomany aho satria.....
tianarakotoarimalala
Zava-tsarotra tokoa ny mitia eto antany. Tena mahavaky fo fahoriana sesy lany. tsy hita intsony zay atao tsisy koa ny azo ambara. Zary lasa an-kilabao lay fitiavako any ampara. Ianao no efa tiko ka nanolorako ny foko. Sady efa mba niriko hanafoana ny toloko. Indrisy anefa..!elanelan-tany mantsy no mampisaraka ant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/ianao-io
IANAO IO!
ANDRINIAINA1
Ianao io!!! Ianao io ve tsy mahatsapa; fa tsy nahay nitady hafa: raha tsy misy nanahirana. ka rehefa kely mba nosoavina; de mba miseo miavonavona: manao fijery misopirana. Ianao io ve mody adala; fa mazana tsy te hahalala: rehefa mba tafakatry ny avo. ka rehefa kely mba nambinina; de mitady hanao tsinotsinon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cl/lavi-tiana
LAVI-TIANA
CL
Ny amiko tsy misy fetra Ny fitiavako rehetra rehetra Tsy miova matokia Fa ho anao irery ho doria Malalako tsy foiko Tsy atakalo, tsy hosoloiko N'aiza n'aiza misy ahy N'inon'inona atao Omaly, anio, mandrakizay Tena tiako foana ianao Na lavitra aza ianao Ny fo sy saiko tsy mandao Te-ho any mafy aho Androany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabefitiavana/tsiaro-anao
TSIARO ANAO
Rabefitiavana
Any ianw zay any. Ts tazak noho n elanelan-tany. ts aik na msaintsa2in n faavoazako Fa mis ranmaso mtad ijoy @tavak. Satri manir n mb oeo anilanw ny fuk. Zay sasatr n mtolok. No sd tokan mangaiay n sina. Noho n alaviranw ah r tina. Volana n atwk tsar jer. Ra iny aho sedr manrer, Satri lavtr lay sakaiz tena ti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/any-ho-any-
Any ho any ...
Ranoala
Any ianao rahavako tsy rebika aho akory fa mba lasa re ny vavako nahatsiaro, oriory Any ianao rahavako sy ny lasa tsy adino lasalasa re ny vavako ireny vita tsy nampino Any ianao rahavako moa mba misy embona ny amiko? Raha tsy zany dia ajaniko sy ahoriko ny penina dia avelako ny tonokalo tsy hamoha ny nima...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/hanao-ahoana
Hanao ahoana?
Ranoala
Tamin'izahay mbola zaza nandany andro ambony pneu teo no nivalavala, nivanitika amin-dresak'hehy. Tamin'izahay zatovo nahalala zava-boarara dia manisa firy amin'ireo vovo no misy mankafy farafara? Tamin'izahay tanora Afa tady laboridy be ny nanadino ora, ny zava-tsara fitadidy Tamin'ny ora naha-maontina na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/assanrj/ho-anao
Ho anao
AssanRJ
Vao nitompy ka nahita anao ny masoko ankiroa Dia tsapako avy hatrany fa lasanao izany fo Fa ilay tsikinao malefaka manintona ahy hitafa Ny vatako rehetra toa tsapako hafahafa Misy zavatra tsy aiko manintona aminao Tsy aiko oe aiza ho aiza fa dia tiko tsotra izao Ny hany tsapako aloha dia ny aminao manontolo Na t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/hafahafa
HAFAHAFA
ANDRINIAINA1
Hafa amin'ny hafa rehetra... Tsy tiako ianao ho tiako! Ary halako ianao ho halako! Hafahafa izany iriko; Hafahafa zany anjarako. Eritreretina toa tsy takatra; Rehefa tsy dinihina toa hay sy mora azo. Toa heverina midina; nefa toa miakatra. Toa mitsingevana, mihazoazo. Tiako hafoiko ianao ry tsy foiko; Nefa al...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/andriamanitra-avo
ANDRIAMANITRA AVO!
ANDRINIAINA1
Andriamanitra avo! N'inoninona manoloana: Andriamanitra eo foana. Fa isika olombelona no malain-kino; Ka mahavita manadinodino. Na oviana koa fotoana: Andriamanitra eo foana. Fa isika olombelona no be siasia; Mivily làlana minia. N'aiza naiza hisy antsika: Andriamanitra miaraka amintsika. Fa isika olombelona...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotojean/olon_tiana
Olon_tiana
Rakotojean
Fantampantatra eny ihany Ny olon_tiana eto an tany, Hendratrendratra fijery, Lasalasa saina irery. Taitaitra koa ny fony, Raha tereny mba ho tony, Mihentanentana aok'izany Te ahita anao hatrany hatrany. Hafaliana lalan_dava, Ny fiainany eto an_tany, Ho feno tsiky tsy ho rava, Sy haravoana hatranihatrany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tianarakotoarimalala/hitomany-aho-satria....tohiny
hitomany aho satria....
tianarakotoarimalala
Dia hitomany aho satria..ilay masonao baliaka. toa tsy afaka ato antsaiko. satry foana tiako ho hita. Dia ny anaranao sisa ,no mba hany fiononako. rehefa tonga ny alahelo,sy ny tsiaro-mpanembonako. ilay sarinao ho tehiriziko hantrany . Vonona aho hanaja anao,mandra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/oroka-vao
OROKA VAO
harylovah
Feno ny volana anio De ongotako ho any aminao Ny eritreritro mbola madio Hiaina ireo lasantsika Nisantarana oroka vao Tamin'ny tsirony soa sy baliaka ... Ary tsinjoko teo amin'ny tarany Ny hakanton'ny dian-tantarany Fa inoako fa sambatra ianao Toa antsika sondriana lalao Nitsingoloka ny isan'ny kintana Sy ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/mila-anao
Mila anao
raozy mainty
Raiso ny tananako fa aza avela irery aho Ilay paradisa hiadanako efa any anatinao aza atosiko ho lavo fa jereo ampalemena Miangavy mba tiavo ito foko manantena Nisy ireo tsy nety mbola averiko fa diso Tsy ho fotoana veti2 no anovana ny ampitso f'io ny foko mbola tia ka henoy ny fitarainako Hanolotena hiova aho s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andz-fiha-razaf/fitia-mifamaly
FITIA MIFAMALY
Andz f'Iha Razaf
Tsy nisy nana-po Hoe isika iara-droa Maso iray sendra nitopy No nahatonga ahy hanonofy Nolazainao 'lay fitia Naborakao satria Nahababo anao ny fijeriko Eny,hatramin'ny fihetsiko 'Zaho koa tsy nisalasala Fa avy dia nanambara F'izaho koa efa tia Ka vonona ny hiara-dia Lay fitia tao anaty No nandoro ka tsy ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tianarakotoarimalala/lay-notiaviko
lay notiaviko
tianarakotoarimalala
Ho anao ilay notiaviko sy ny foko tena ti.mba tsy ho very eo amin ny tavako ny anoratako ity.Fa na hody vovoka aza noho isika mbola nofo.ny fitiavako anao.VOLAMENA TSY MIOFO.Tiko loatra mantsy ianao mahafinaritra ahy tokoa. ny fitiavako anao VOLAMENA,VATOSOA.(tianarakotoarimalala)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/maninao-moa-
MANINAO MOA ?
Mikanto
Maninona moa ? Maninona moa ,raha atambatra ny hery; ny kristianina hamonjy ny olom-bery, akambana avokoa ny kritianina maro; ny fiangonana aiza dia atao mifangaro ny tanjona anie dia tokana ihany; ny hamonjy ny olona amin'ny ratsy eto an-tany; ka maninona moa raha atao tokana koa ireo fiangonana mino an'i kr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/raha-te-hilamin-tsaina
RAHA TE HILAMIN-TSAINA
harylovah
Na ho inona ampamoaka Savahao ambony, ambany Tsy mba taitra na mitsoaka Ny olo-marina hatrany N'iza n'iza hanevateva Hikotaba, hivazavaza Tsy mba mitratrevatreva 'Zay mankamamy 'zay sahaza Fahavalo ve mandalo Mandrangaranga vavabasy ? Tony foana tsy mimalo Ny olon-tsy mareva-dasy Ka raha te hilamin-tsaina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/ianao-irery
Ianao irery
raozy mainty
Ianao irery Nitomany heritreriny Nihitatra ny feriny Rava indray ny lapany Potika ny lakany Navelanao ho irery Natosikao ho very Ilay fony diso tia Sambatra sy naka fy Izy ilay velo-tsiky Sy namorona ny tsisy Niady zava-baovao Mba hafaly ny fonao Nanda ny soa ho azy Handaminana ny ho avy Hampamiratra ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/manambady-vazaha
Manambady vazaha
raozigasy
Mme Suisse : Mme Schmid Izaho ange akia raha nanambady vazaha Tsy hoe « snobisme » fa izay ny ahy no « choix » Ny lehilahy gasy mandreraka be Indraindray manao toetra tsy « civilisé » Mme Italienne : Mme Manzini Ny ahy indray akia, iny no « solution » Ny fahiniko mantsy efa « marron marron » Leo be izaho ilay f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/urhan/ianao-izaho
IANAO, IZAHO
Urhan
IANAO, IZAHO Ianao ! 'lay nahasarika ahy, Ka nanaiky avy hatrany Ny fangatahanao Tsy nisy ahiahy. Dia nifankahalala teny Hatramin’ny Ray aman-dReny. Izaho ! 'lay tsy nihambahamba, Nanolotra anao Taratasy vitsy toy ny lamba; Enti-mandrakotra ny saina Mba hanary koa ny laina. Rehefa ela ny ela.... Ianao ! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/nisy-mpisolo
Nisy mpisolo
raozy mainty
Nisy mpisolo Sendra nahare ilay anaranao fiantsony Dia nientana ny fony Angamba toa tsaroany Ilay fiainany taloha fony teo anilanao Niherika izy hijery Gina tsy niteny Fa hay tontolo tsy azy intsony no nidirany Niezaka izy niala tao Tontolo nisy anao F'efa nisy mpisolo ilay toerany taloha Nitsiky mba ho tony...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/izy-iny
Izy iny
raozy mainty
Izy iny Mitoetra samirery ao anaty fananginana Manafina anaty ny halahelo mafonja Ita eny aminy soritava-mpitsimbinana Miseho fa malalaka tsy antery nefa am-ponja Tsy misy mahita anefa ilay tena iainany Fa mbetika izy no mitomany ny ampintsony Tsy fantatra tokoa fa mangidy ny fiainany Raha jerena ety ivelany il...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/urhan/safidy
SAFIDY
Urhan
Aleoko mangina, Raha izay nirariana No manjary harariana. Aleoko ho tony, Raha izao tontolo Mandetika daholo. Aleoko tsy hiteny, Na eo ireo nenina Manery, mahabadenina. Aleoko hipetraka, Hisaina kely ihany Izany rehetra izany. Tsy hoe faharesena, Fa ny manetri-teny No ilo-pahendrena. Izay no sarobidy, T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/tiako-inao-na-dia
Tiako ianao na dia.....
raozy mainty
Tiako ianao na dia... Somary vazivazy Ilay fitiavantsika roa Tiako ianao satria Nameno tambitamby Ilay fery tao ampo Tiako ianao na dia... Tsy nisy nahalala Fontsika nifandray Tiako ianao satria Nekeko ho malala Sy ho mandrakizay Tiako ianao na dia... Nisy elanelantany Nisy elanelan'taona Tiako ianao sat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/iny-habakabaka-iny
Iny habakabaka iny
raozy mainty
Iny habakabaka iny no hilalaovatsika Ka na hangatsika ary dia hafana ny fitia satria tafaradia ilay tiana sy efa tia ny mandrakizay no ndao hofandrihana dia ndao hifamihina hifandray ampo fa zao no efa voatendry ho lalatsika roa eo fa iangavina andravaka ny kintana Tsy ilaina vintana na asina fanahiana fa ainao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/nankaiza-
Nankaiza ...
Ranoala
Nankaiza ny tanteliko teto nefa eto tsisy vitsika? "Efa nisy naka! Fa 'lay iny koa tsy nihinana!" Fa iza moa ianao Ry sotrokely tiako indrindra "Izaho ilay nahita Basivava dia voafitra!" Tsy nahazo mihintsy izany na dia ny fofompofony aza? "Tsy afaka mifidy hono e! Mbola kely ,mbola zaza!" "Voatsorikan' Ila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/fitia-mihevaheva
Fitia mihevaheva
raozy mainty
Niserana teny ilay dina mafonja nifanaovan'tiana sy tia teo andalan'ny nofy misento irery ilay tsiaro voafonja nisaina mangina ilay voady kanosa Fa namako akaiky sa olon'ny foko No azo hilazana ilay fo toy ny adala Omaly namaly sy nety nantsoiko Ny ampitso nilaza ho tsy nahalala Tsy mba nisaraka nefa tsy niombo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/gina-paniriana
Gina-paniriana
raozy mainty
Ginan'mpanirina Nakipiny ny masony tsy hahita anao intsony Niniany novonoina ilay vetso tany ampony Najanony ho nofy ilay inareo hiara dia Tsy nataony fantatrao f'izy raiki-pitia Ka ilay tsiky hita soritra teo amin'ny tavany Misary filaliana nasetrin'ny fitiavany Ilay fahoriana lalina nanjary niaretany Niafiany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/iza-ianao-
Iza ianao ???
raozigasy
Iza ianao mpamaky, vakio hoe hojerena Izaho tsy mila valiny, fa mahatsapà moa tena Izaho tsy hanondro fahatany, na koa hanakiana Raha toa ka voatsindrona, fahendrena ny mangina Iza ianao ??? Ilay manan-tsaina ve , sy mahay mijery lalina Ka ny hahatsara ny ampitso no iasana saina ny alina Tsy matahotra mihitsy iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/myrai/raha
raha...
myrai
Raha mba azoko natao ny niondana eo atratranao dia ho foana angamba izao fitsiriritako anao izao raha mba azoko natao ny nandray ny tananao dia notantanako ianao hitety izao tontolo izao eny,raha mba azoko natao ny nanoroka ny molotrao dia norohako tsy ankiala katreny amparafara raha mba azoko natao ny nan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-maintsy
Tsy maintsy
raozigasy
Na rotehim-pahantrana, ka mitrongy aho izay vao homana Na isan’andro vaky izao, dia valaky ny fitolomana Na mandry fotsy hateloana, vokatry ny fiafiana Na kitsay aza sisa no voro-damba hitafiana Tsy maintsy veloko ny zanako Na dia nono maina, ritra, tapi-tete sady foana No azoko atolotra hatreto, hampangina rehef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/misy-any-ho-any
misy any ho any
raozy mainty
Misy namako any tiako Fa nandriandra ny fisiako Ho hafali-maharitra Fa nampatsiahy lay nofihiniko Fotoana voafaritra Misy hira any toa tsaroako Fa miventso ny ati-foko Ilay tantara niserana Misy tsiky any mbola miaina Fa namirana ny saina Fitiavana tsy ferana Misy anarana any mamiko Fa nisalorako ny akaniko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/myrai/aoka-ihany
aoka ihany
myrai
raha fihatsarambelatsihy no nandraisanao ity foko tia dia aoka ihany,aleo faranana sao hanimba fihavanana raha tsy vokatry ny fo fa imolotra avokoa no nanekenao ny fitiavako dia aoka ihany ianao ho namako myray
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/omeko-anao
Omeko anao
Ranoala
Tsy gadona ,tsy rima fa ventsoventso,adin-tsaina horakoraka mangina fandroahana ny laina izato kaloko izato sao ho diso ianao indraindray Korotan-teny mahafanina tsisy kanto, rindran-damina. Tsy gadona ,tsy rima satria tantara te-hitroatra tsy voakobona hangina fa te-hipoploloatra izato hirako izato sao ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/iza-no-namako-
Iza no namako ???
raozigasy
Ilay mandoka foana fa tiany izay ataoko Sa ilay miteny tsy misorona ny tsy mety izay fanaoko Ilay eo mandavan-taona fa midila vao sakoroka Sa ilay rehefa misy voina, mamihina, manoroka Ilay tonga isan’andro mijery fomba fiaina Sa ilay miantso mampahery, raha tojo ny taintaina Ilay mamporisika ahy, hirevy sy hifet...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/mila-ny-tia
Mila ny tia
Jeankely Razafimamonjy
Aloaka ho lasa teny, Aloaka ho lasa tranga, Aloaka ho lasa seho. Injany izy reko tsaika, Injany izy reko safo, Injany izy reko doana. Te ho eo anilanao, Te ho eo akaikinao, Te ho eo ambavanao. Iriany mafy ny tianao, Iriany mafy ny ekenao, Iriany mafy ny anao. Fitia milamina tsy maika, Fitia milamina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/marary-ve-aho-
MARARY VE AHO ?
Mikanto
Marary ve aho? Marary ve aho ? sa tsy salama loatra; fa ny ao am-poko toa manery hitraotra, hiatsampy an-trantran'olona tsy fantatra iny, mipetraha ianao ry foko!sao lahy hananan-tsiny Marary ve aho? fa ny saiko tsy mifantoka, tsy haiko ,tsy fantatro,eny tena azoko antoka, fa ny zavatra ataoko tsy misy miditra a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mitady-vady
MITADY VADY
raozigasy
Henjana leitsy ity tokana ity, 5 taona izay no teto Paris tsy nahita olona izay sahaza ahy, ny gasy toa miavona, ny vazaha izaho tsy sahy Nandramako leitsy ny internet iny hono tena hahazahoam-betivety ny volako fotsiny no lany teo manao fita-bitro daholo zareo Nandramako koa hoe nitety soirée ny « single » ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/ny-adin-tsaiko
Ny adin-tsaiko
cedarf
tsy hofantatrao mihintsy, izay adin-tsaiko lalina, raha toa tsy liana ianao; totofana tsy tafarina, kanefa novokarina tanatin'ny ora vitsy ka tsy hitako izay marina. tsy azonao an-tsaina, tsy ho vitanao lazaina ny hamaly izany; dia ny ady izay atrehako, tsy fantatro akory izay toky reharehako, fa mafy ho ahy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/tohizo-izato-lalanao
TOHIZO IZATO LALANAO
Mikanto
TOHIZO IZATO LALANAO Tohizo izato lalanao Nany mpanenjika toy ny inona Ny tsara hatrany no hajao Ka ny lalanao banjinona Tohizo izato dianao Fa mbola lavitra ny dingana Aza tofoka sy lao Na dia maro ireo mpamingana Aza adino ny tarigetra Izay efa nilofosanao hatrany Fa maro ny mpisetrasetra Izay tsy ho foa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/eny-sa-tsia-
Eny sa tsia ?
Mikanto
Teny tokana mafonja, Mahery nony onja, No nambarany tamiko... Toa mangidy sady mamiko Hoy izy "tiako ianao"... Taitra aho, nitsamboatra ka tsy tsaroako loatra... Ireny teny hotenenina Izay ambara sy afenina Nanetram-panontanina, Fahorina sa fifalina... Sao ny ao ambadiky ny toky, Jiolahy ,mpisoloky... Fano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rjd/vetso
Vetso
rjd
VETSO Vetso mba natao ho vatsy Tari-dalana ihany koa Anatra isamban-dratsy Antenain-kiavian'ny soa Kalo izay natao hikolo Ny soatoavina andrandraina Tsy azo afoy fa maha-olo Maha-gasy fo sy saina Soratra natao hitaratra Ilay fiainanana mivaona Mampitaraina fahavaratra Mampipopo lohataona Hirahira hampihari...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/temponny-fo
Tempon'ny fo
Jeankely Razafimamonjy
Lay sentoko nangina,tsy hitadidy ny efa lasa; Nataoko ho ahy manokana anaty fo mivay; Nosaronako fanàla,noheveriko voasasa, Nefa indro tojo anao ka niverina indray. Nilaza aho ho mafy tsy hahatsiaro ny efa ela; Nihazahaza hatrany izay ho solon-toeranao, Kinanjo sendra anao ka bada indray ny lela; Hiova indra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/taminny-ireny-propagandy
TAMIN'NY IRENY PROPAGANDY
Mikanto
TAMIN'NY IRENY PROPANGANDY tamin'ireny propagandy hoe hatao ivany volana nolazaina ihany koa fa ho taperina ny olana ambetin-dresaka isan'andro faho afaka krizy ventesin-dava izao, fa hianatra ny ankizy tamin'ireny propagandy,dia nolazaina fahiova, noresaahana betsaka,fa ny gasy no handova, n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/tarratasim-pahavalo
TARRATASIM-PAHAVALO
Mikanto
taratasy ho an'i Fahavaloko Any ianao ry fahavaloko, Faly miarahaba sy mirary soa ny fitahian'Andriamanitra ho anao,izaho manoratra salama tsara,ary mirary fahasalamana hatrany ho anao. Ry fahavaloko,am-pifalina no hanoratako ho anao na mpifahavalo aza isika.Ry fahavaloko,efa nangina aho ary mbola mangina,nefa ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arlisoa/tsy-ho-ahy
Tsy ho ahy
Arlisoa
Ianao?Lay niraikitra ato an_tsaiko, Lay kalo tsara rindrako, Lay hany mba lalaiko, Lay arahan'ny famindrako: No nandao ahy.Satria Lay safidy nofinidiko, Nolazaiko.Fa hoe tia No tsy maintsy koa narindriko. Eny ianao!No lay hery fianteherako, Raha sendra aho ka ory, Sy mba hany reharehako, Raha izaho tojo sori...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/tara-izato-foko
TARA IZATO FOKO
Mikanto
tara izato foko endrikao toa raitra; ny feonao manaitra, ny bikanao toa kanto, ny fitafinao milanto ilay masonao mijery; mibanjina ahy irery; toy ny tselabala-balatra, mamiratra tomaratra, no najary tonga nofy, ilay endrikao farofy; mitsiky lalandava, mamiratra mazava, tsy mety miala an-tsaina, miendrik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arlisoa/mbola-ho-tia-ve
MBOLA HO TIA VE?
Arlisoa
Tsy haiko.Tsy fantatro. Fa ny hany hafatro, Raha toa hahita azy ianao Dia lazao sy ambarao. Fa mbola tia azy aho. Na anio.Na ho rahampitso Na ho in_droa na ho impito No hihaonanao aminy Dia bitsiho fa ianao no maminy. Sy tsy handaozako ny akaniny. Asa anefa.Tsy haiko koa, Na mbola holaviny ny tempon'ny fo. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/ianao-no-mpitsaboko
IANAO NO MPITSABOKO
Mikanto
IANAO NO MPITSABOKO raha toa ka ilaozanao aho ry malala, angamba tsy fantatro ,ho lasa adala, tsy fantatro izay tany hakanesana, raha ianao no mandao amin'ny fampirafesana tsy fantatro intsony ny lalana hombana, tsy henoko akory ny hatsika sy ny hafanana, fa ianao no ao an-tsaiko, anary foko... raha ianao no ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aiza-ianao-ry-tanindrazako-
AIZA IANAO, RY TANINDRAZAKO ?
Fredy Jaofera
AIZA IANAO, RY TANINDRAZAKO ? Aiza ianao, ry tanindrazako, fa malahelo ange ny foko ? Lanitra hafa no mba tazako sy raho-mainty mitsitoko. Aiza ianao, ry tanindrazako, fa manimanina aho izany ? Ao aminao no fahombiazako, mandra-pialako eto an-tany. Aiza ianao, ry tanindrazako, fa vahiny aho indraindray ? Mar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/reseo-ny-kolikoly
RESEO NY KOLIKOLY
Mikanto
RESEO NY KOLIKOLY Ndeha hiara-hitady, Ka vonona hiady, Hanala devoly, Dia 'lay kolikoly Raha manam-pinona Dia azo vonona, 'lay fanetribe Efa hita sy re Any anaty birao, Dia mifamahofao, Hatramin'ny mpamboly, Dia mahay kolikoly, Ndeha ho resena, Fa hanimba ny tena, Fa raha tsy zany atsy ho atsy, Dia hanj...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanompoana
FANOMPOANA
Fredy Jaofera
FANOMPOANA Tsy ananako hasasarana ny fanompoako Anao, ry Tompo be fitia ; mbola fahasambarana mitondra fiainam-bao, mamiko ho doria. Tsy mety iadiana hevitra ny fanompoako Anao, o ! Ry Ray tsitoha ; asakasak'izay handefitra fa tsarovy tsara izao : Andry iray tsy roa !...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/indray-mandeha-ihany
Indray mandeha ihany.
Mbola tsy fantatra
Araraotiko ny fisiako an-tany, Fa izaho indray ihany no afa-miaina, Hezahahiko ny tsy hisiana tomany,, Kendreko mihintsy mba tsy hisy taraina, Raha azoko atao... Fa izaho,na ianao, Indray mandeha ihany No miaina eto an-tany, Ny androko sisa,hanaovako soa,
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/matoria-ry-zanako
Matoria ry zanako
raozigasy
Matoria ry zanako, dia manofisa mamy, dia afaha havizanana Raha mbola tsy rendremana, dia etsy koa safoiko, ny lamosina sy tanana Hihirahira aho, na dia am-peo mivalana, handrotsiako anao Sa ve tsindritsindriako, ireto ranjokely, torovan’ny lalao ? Matoria ry zanako, dia aleo aho hirediredy, ny ampitsotsika Hisang...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hiverenako
TSY HIVERENAKO
Fredy Jaofera
TSY HIVERENAKO Tsy hiverenako ny hita nandratra na hanorenako ny soa tsisy fatra. Tsy hiverenako ‘zay efa nandavo na hanarenako ny Lasa nahamavo. Tsy hiverenako ‘zay efa nandrava na hitombenako fa hoe mbola hisava. Tsy hiverenako ‘zay efa nahavoa sao hanenenako ka hahakenda tokoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/loooooza
Loooooza
raozigasy
Tohin'ny tantaran-dRasiza ihany ho an'izay nanaraka eee O ry reto a, avy nareo aty, fa misy vaovao, hafakely ity fa nisaraka hono, Ledona sy Rasiza fa tena leo izy, isan'andro maty viza lozan-dry Razane, ilay hoe paoma hohanina dia nataony ange fa ny lozabe tsy nisy paoma tao dia manga no natao ka nifotafota...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fripy
Fripy
raozigasy
Raha akanjo no fripy, mbola azoko leferina sasana maro sy imbetsaka dia afaka ny tandalerina iny mba « importé » miavaka kely ihany koa sady mba avy aty Eoropa, fa tsy hoe vita sinoa Raha fiara no fripy, mbola azoko ekena satria ilay hividy vaovao, tsy mbola zaka raha ny tsena iny na dia maty kapoka, mbola azonao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/satriko-ny-ho-any
satriko ny ho any
cedarf
mba satriko e ny ho any, hahita anao, kanefa moa mba maminao ny hihaonantsika roa? mba hiaraka hikorana, hamono izay rehetra sakana tsy hahatonga ny tanjona ho to. mba mamiko ny ho any hiangavy anao ho tia manko faniriana izay lalina ato anatiko mitraotra toa tsy tantiko, ny ho anao ho doria dia hiaraka eny isik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/faktiora
Faktiora
raozigasy
Tohin'ny tantaran- dRapapany Io ilay dokotera, nandray ny fahatongavany fa tonga koa niresaka tamin'ireto havany ianareo izany, no fianakaviana andraso kely aloha ny valim-pitiliana Madama feno sefo, nipentsona avy hatrany, tsy nahalala fomba, tsy nihafa nanontany naninona ny vadiko, lazaonao re Radoko sady nie...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/hanaka-danitra
Hanaka-danitra??
Fom'setra setra
Na manan'elatra aza ianao, tsy ho vitanao izany Na hidiranao aza cinq étoile, tsy ho voakasikao akory Fa anngamba ny andro no ririnina any anaty alina any Ianao mitafy bodofotsy, tsara nofy fa matory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/am-panajana-sy-am-pirahalahiana
Am-panajana sy am-pirahalahiana
raozigasy
Tsy ilay ianao tia kanto no halako, na ilay fihetsikao mizara fa ilay dika vilanao mitovy, no mandratsy ny tantara sady alainao ny asa soratra, no disoinao ny tsipelina ka na ny mpamaky aza, hita hoe voaelingelina Raha hatreo koa moa mba naninona, Ny tena loza dia ity, ny kanton'olona rambasana, angalarinao koa ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tankina
Tankina
raozigasy
Indraindray io fanahy io , mora miainga adaladala mandrotsandrotsaka fanahy, ho riman-teny tsy misala sendra tranga iray tsotsotra, dia mikorotsaka miredy aravony an-tononkalo, ireo zava-misy ts'isy bedy Indraindray io vetso io, mora lasalasa izany tsy misy antony mazava, tsy nisy hoe nahoana tany fa dia manambat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/iny-habakabaka-iny
Iny habakabaka iny
raozigasy
iny habakabak'iny raha feno ny diavolana mahasondriana ery, ka mampite-hivolana : kianja filalaovan'ny volana sy kintana efa an-tapitrisa sompi-pitahiry, ireo nofy maro sy sento tsy voaisa mpizarazara ainga ho an'ireo fanahy mivezy sy mitety vata makadiry, mandoatra sy mitrandraka ny kanton'ny poety iny habakabak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raha-toa-ka-
Raha toa ka ….
raozigasy
Raha toa ka ny tononkaloko, no mitondra fifaliana, sy marain-tsiky ho anao dia aza mihafa koa ianao, fa amin'ireo hafa namanao, ny tononkaloko zarao Raha toa ka ny tononkaloko, no tsy andrinao ho tonga, ao anatin'ny finday dia aza miandry koa ianao, raha toa ka tianao, manaova « j'aime » indray Raha toa ka ny tonon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tia-hono-izy
Tia hono izy
raozigasy
Tia hono izy, tena tia, dia izaho no mba hindraminy hibitsika ho an'olon-tiany, hampita ireo teny maminy hampiritsoka any am-pony, ilay fitiavany mahery mandoro ny aty fony lalina, mahavalalanin-jery Tia hono izy, tena tia, dia izaho no hampanoratiny ireo riman-teny adaladala, mampifamatotra ny atiny mahavahotra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fomsetra-setra/hanaka-danitra
Hanaka-danitra??
Fom'setra setra
Ho takarinao ny lanitra? Ahoana koa izany Goliata aza teo niala-satroka tsy sahy Rapeto koa nanandrana fa nialamaina ihany Koa maika fa iana: sa be loatra ny ahiahy? Aoka fa azo! Natahotra ianao ndrao nolavina Dia nampanantena zatra tsy ho vita
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazah/andao-hanonofy
Andao hanonofy
zazah
Raha tianao hatsiro ity ora ity, izay iray tsy hiverina, dia vonoy aloha ny jiro, fa manelengelina. Dia andao isika hanonofy, andao hotriarina ny lanitra fahafito; dia any isika matory, miandry ny ampitso.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/urhan/ianao
Ianao
Urhan
Tsy rehefa hoe lafatra No hany hahasambatra. Na dia tsy misy tomika, Jery indray mipika. Fa ny tsiky sy ny kanto. Famindra koa milanto, Ka nahasarika ahy. Ireo toetra amam-panahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sisatsisan-dresaka
Sisatsisan-dresaka
raozigasy
Sisatsisan-dresaka sy Ambinambin-teny notsindrotsindrohako teny rehetra teny no natambatro anio hanaingako kalo hamohazako indray ilay ambiroa mihalo tositosi-bina, sy tetika an-kidala no niara-nientana, namaky hidim-bala dia indreo fa nibasasaka, nameno toeram-poana ireo voambolana sy teny, elabe no moana dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/taitra
TAITRA
raozigasy
Sisatsisan-dresaka sy Ambinambin-teny notsindrotsindrohako teny rehetra teny no natambatro anio hanaingako kalo hamohazako indray ilay ambiroa mihalo tositosi-bina, sy tetika an-kidala no niara-nientana, namaky hidim-bala dia indreo fa nibasasaka, nameno toeram-poana ireo voambolana sy teny, elabe no moana dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/badraodra
Badraodra
raozigasy
Nataoko ny kaonty sy ny adisanina, tsy ilaina intsony izay olom-banona vao vita ny BEP'C dia aleo mijanona Kandidà depioté no aleo omanina Amin'io 4x4 nge ny vam ny « de corps » amin'io ex mpisam ny tsindry masiaka sy mipoera vao mihaona kely dia dona vera Nataoko ny kajy sy tambatambatra matory mivory dia sam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/lasa-hono-rasiza
Lasa hono Rasiza
raozigasy
Lasa any an-drenivohitra hono akia Rasiza misy havany hono any, tsy haiko aloha hoe iza hay !!!! ilay zana-drahavaviny, nanambady be kamio ilay nalaza be hoe nahazo « tonton » hay ve iny e … haiko tsara, ilay sola sy behatoka rehefa izy ilay miteny, somary mihatokatoka tena izy indrindra, ilay bekibobe fonentane...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/lasa-aiza-
Lasa aiza ???
raozigasy
Notereko manta ihany, ireo vain-tanako hanoratra, sy hikirakira teny natositosiko vohon-tanana, ilay ainga mbola kamo, sy mbola nirenireny nokorontaniko hiarina, ireo rima mbola varina, tany an-tontolo tsy hay takarina, hiloa-peo na mbola farina Notereko koa ho masaka, ireo voaloboka litera, na angamba tsy fotoan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazah/ny-ao-anatiny
Ny ao anatiny
zazah
Tsy safosafo mahasafononoka, na orokoroka mitohoka amin'ny molotra, f'ilay tao anatiny, no nahitako fafiny, tamin'iny olona iny... Ary iny no tsy tantiny, fa nampangorovitsika ny ainy manontolo, raha sendra voakitika. Na ny teny maminy, na ny tambitambiny, dia fotsiny ambinambiny. F'ilay zavatra iny ihany, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabefitiavana/ny-alaheloko-anao
NY ALAHELOKO ANAO
Rabefitiavana
Mazana mandalo, matetika tsy tana, Ao anatiko ao foana ny alaheloko anao Izaho anefa miezaka manao izay ialana Saingy indry mamikotra ilay momba anao Minia foana aho mampitony ny saiko matetika Ny alahelo anao nefa ity, tsy ahatsiarovako masoandro milentika Izany alahelo izany anefa indrisy, mampirotsaka tomany;...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazah/mangina-ialahy-ry-foko
Mangina ialahy ry foko
zazah
Mangina ialahy ry foko, fa tsy misy hatoriako. Efa be ny fijaliako k'aza ampian'ialahy intsony. Avelao aho hatory, fa izay no mba itoviako amin'ny olona ambony. Sady tsy ny fokofokon'ialahy akory no hamadika ny fony ho tia ahy indray. Aoka izay, fa mankahia ahy. Dia aoka ho fantatr'ialahy, fa ny fon-dehila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/impiry
Impiry
Nofy2
Impiry moa ry Tompo Ity hetahetam-poko Ny hanakaiky anao? Kanefa dia izao Voasakana avy hatrany Tsy avela manontany Dia tsy haiko hoe nahoana? Fa hoe manaonao foana Impiry no nandroso Ary koa nanompo Anao ombieny ombieny Indrisy fa voatery Hajanona avokoa Fa hoe tsy mahasoa Dia tsy hitako ny atao Terena ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabefitiavana/ry-nosy-mamiko
Ry nosy mamiko
Rabefitiavana
Ry nosy mamiko Tany mamy tena tiako; Ianao ry gasikarako; Hany tokana fananako Hany ka tsy ho simbarako Ianao ry nosy mamiko, Na latsaka anaty aizina aza; Indro izaho efa ato amiko Ilay faniriko anao ho fata-daza Maro ereo manitsakitsaka, Tsy vitsy ny manisakisaka, Fa izaho kosa andeha hanandratra, Aha tong...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ianina-rabenatoandro/ny-ampitso
NY AMPITSO
Ianina RABE
Io andro ho avy io Mety hanala ny tadio Hanova fiainanao Hitondra rivo-baovao Ny ampitso vaovao Dia natokana ho anao Ho anao irery ihany Mba hanala ny tomany Ho avy ny maraina Hitondra hery vaovao Hanome tsiky raha malaina Hisy masoandro ho anao Hibalika ny mazava tonga indray ny atoandro rotoroto lalanda...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazah/-tsy-misy-lohateny
zazah
Ny alina fotsiny no fohy, tsy ampy hahasambatra, rehefa ny tia sy tiana no miray fandriana. Dia satry tsy hifoha, mandrapahatretrika; dia satry tsy hamoha ny varavaran'efitra. Malala a, mandehana ianao mandro fa maraina ity ny andro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/resy-sy-babo
RESY SY BABO
ikaloyna
... Dia satriko higadra ao anaty fonjany ary satriny ho voafonja ao anaty gadrako Iriako ho fefeny anaty manda avony Iriany ho mandany anaty fefy viko ity foko voafatony hataony tsara hidy sy ny fony voahidy hataoko mafy fatotra ka ts'isy ho afa-bela na dia sombintsombiny fa indro resiko izy ary babony aho. ....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ianao
Ianao
Nofy2
Ora vitsy monja no nahitako anao Dia potika sahady Ilay fitiavako azy Na dia noheveriko aza fa mafy sy mahery Kanefa ny anao mbola mihoatra izany Hafahafa ihany Tsy azoko an-tsaina Tsy mety ho lanjaina Satria tsy hisy hahazaka Fa tena...tena latsa-paka Ny foko izay nisaina Tsy hitia ankoatran’azy Mandritry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ny-endri-pitiavana
Ny endri-pitiavana
Nofy2
Raha toa ka ny tiana no tojo ny tia Ka mifampitantana,miara-dia Na iza na iza no sendran’izany Mahatsapa fiatiavana mamy dia mamy Raha toa ka ny tiana no miseho mankahala Mitsoaka ny tia,mitady hiala bala Na iza na iza no sendra fandavana Mitady,mikaroka,miantso fitiavana Raha toa ka ny fo voafita-pitia Rava k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazah/fanahy-mahaolona
Fanahy mahaolona
zazah
Mahazo mametaveta izay main'ny hetaheta. Inty ny vatako lalaovy, izay tianao ataovy, n'inona n'inona... Ny vatako tsy maninona, lazao fa mpanota. Fa, kosa, ny fanahy, mahaolona ahy, aza atao tsinontsinona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-joseph-rabearivelo/aza-anontaniana-izay-antonizao
Aza anontaniana izay anton'izao
Jean-Joseph Rabearivelo
Aza anontaniana izay anton'izao Fahanginako lalina ary feno tomany! Aza anontaniana satria fantatrao Fa fahatsiarovana no anton'izany. Tsaroako ny tsikin'ny androko omaly, Izay manjary aloka foana indrisy! Tsaroako!...Antsoiko fa tsy mba mamaly, Ary toa manadino,ary toa tsy mba nisy. Ô! inona indrindra no karaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rjd/angamba
Angamba
rjd
Injao mitaraina tsy mety mitony Mitady ny anjarany ka tsy hangina Ty fo babangoana, mandraika, milony Onena ty banga handraisany tiana Toa zaza tsy tiana giazam-patorana Maniry hanana fiainana vao Toa efitra miandry handray ranonorana Hamelombelona ny aina efa lao Ny mamy kanefa, toa tsy ho an'ny vava Ny rano ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maintsy
MAINTSY
Fredy Jaofera
MAINTSY Maintsy ny fanadinoana, tsy hisy n’oviana n’oviana, fa mbola firavoravoana ny mahatsiaro kely mangina. Maintsy ny fandrodanana ny lasa izay nofy any ho any tsy hisy fa efa fiadanana mahasambatra lava aok'izany. Maintsy ny tsy halahelo amin’ireny vazivazy rehetra tsy hisy ka mamelovelo ny ao anaty to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/reny-mitomany
RENY MITOMANY
ikaloyna
Anaka, Tsy hoe ireo hantahantanao mba te hanana an'izao (toa ireo namanao) kanefa toa tsy ho vitako no itomaniako na noho ilay rainao tsy niadidy anao ... fa noho ireto tompom-pahefana ambonin'ny lalana Tsy koa ny ampitsonao angamba ankilabao ... fa noho ny ho avin'ny taranaka hodiany tsy ho fantatra sy a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-fahatsiarovana
MISY FAHATSIAROVANA
Fredy Jaofera
MISY FAHATSIAROVANA Misy fahatsiarovana mahafadiranovana rehefa singan-drery, mamoha ireny fery. Misy fahatsiarovana injao mahatorovana rehefa toa tsy maty ny tsy zaka ao anaty. Misy fahatsiarovana efa lasa fahalovana tsy hita bika intsony na sanatria hamony. Misy fahatsiarovana satriko eto harovana, mam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/sao-tara
Sao tara
Nofy2
Aborahy fa sao dia tara ny fitiavanao azy Sao variana ny mijery sy mandinika ny ho avy Aza andrasana ela loatra,be fikenona,fidona Lazao mazava tsara aminy ary mahaiza mandodona Tsory aminy ny ao am-po fa izy angamba tahaka izany Sao efa nisy tonga aloha izay ianao vao manontany Koa lazao fa sao dia tara Tsory a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/te-hahita
TE HAHITA
ikaloyna
TE HAHITA Izaho te hahita zoky tsy mosary Izaho te hahita zandry tsy marary Izaho te hahita reny miran’endrika Izaho te hahita ray mandray andraikitra Izaho te hahita taranaka tafita Izaho te hahita zokiolo-maro isa Izaho te hahita saranga mira tantana Izaho te hahita zo ho an’ny isam-batana Izaho te hahita to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazah/dindo
Dindo
zazah
Raha ny fitia indrindra, izay efa miorim-paka, no iniana afindra, alaina amin'ny toerany; tsy misy hahazaka ny ngidin'ny ratra sy holatra havelany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabefitiavana/iriko
IRIKO
Rabefitiavana
Iriko ry Tiana Ny ho anilanao hatrany Satria mampisy fifaliana, Ary koa mamafa ny tomany Mba faniriako ihany koa, Raha toa ka ifampizara Ny fitiavatsika roa Na dia mety ho voarara Mety mba irianao koa , izany dian-tsika roa Ho tafita hatrany hatrany,ka iaraka ho doria Ka na tsiky na tomany, isika roa hiriaria...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/asa-izany-...-tsikintsika
Asa izany ... tsikintsika.
DotMG
Tsikitsikiko hoy ianao, voninkazo manimanitra Nahatonga anao hihira, sy ho tia ny voninkazo Toy ny vorona misioka raha misidina eny an-danitra... Voninkazom-pifaliana, tsara kolo, tsy halazo. Raha mahazo koa ny hafa, aoka ianao tsy ho saro-piaro Tsiky ireny ka zaraina, hanafenan-tsaina reraka. Ilay omeko anao kan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iavotra-ramanampamonjy/lazao-azy
Lazao azy...
Iavotra RAMANAMPAMONJY
LAZAO AZY..... Raha ho any anao anio dia lazao izy, fa sarotra hoe ny mikosok'ireny tadidy salovana raha mihaona ianareo aza avela hidify fa mafy hono hoe ny mandrava tsiahy mahadiranovana raha tojo azy ianao ka mety ho henony dia mba lazao azy ny vesatra am-poko mitolokoloko raha tsapanao eto ampitao any aminy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arlisoa/alahelo-anao
Alahelo anao
Arlisoa
Any ianao!Any lavitra tsy hitako, Nandao ahy ela izay. Raha ny tiako sy ny sitrako Dia ianao mitia ahy. Saingy tsy afaka intsony, Fa efa an-tanan'olonkafa. Hany heriko hitony, Ka hanadino sy hamafa. Malahelo anao ny foko. Ary te hitroatra mafy. Misy sento sy toloko. Ao anatiko ao,mihafy. Izany rehetraretra ...