url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/anatra
ANATRA
jyno
Aoka tsy ho eo imasonao ny fitiavan-drendrarendra Aoka halavirinao ny fitia andrakandrana Aoka ianao ho sahy hihamotra raha sendra tsy maneva anao ny joloky ny randrana Aoka tsy ho eo imolotrao ny ompa sy ny teny ratsy Aoka tsy ny tananao no ho tia vola tafahoatra Aoka tsy ny fonao no hikasa valifaty fa aoka ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/mandehana-ry-fanahiko
MANDEHANA RY FANAHIKO
jyno
Mandehana ry fanahiko, vangio izy izao. Orohy izany molony dia izao no lazao: "Arahaba hono hoe, hoy ilay tsy manadino; raha sendra mahatsiaro, am-bavaka izy no vimbino!" Dia atolory azy avy eo iny tara-bolana iny ho mari-piarahabana sy ho tsiaron'ny fahiny. tandrovy tsara tsy haloto ireo tarany madio. Ataovy ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/ny-andro-anio
Ny andro anio
Lantorose
Ny andro anio ve mba ho tsara? Sa handrafitra Tantara? Tantara rakotra alahelo Ranomaso sy toreo. Ny andro anio ve mba hamiratra? Ny masoandro mba hihiratra ? Sa ho rakofan'ito Rahona , Mampihorohoro sy Mandrahona ? Ny andro anio ve mba hafana , Mba hampifaly sy ho tsara? Sa hangatsikan'ny fanala Sy ho tatao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antra/fahatsiarovana
fahatsiarovana
antra
Raha sendra mahatsiaro aho Mandefa ilay fisainako Dia hendrika tomany No hitanao ry tiako Ambarako izao no antony Noho ny alahelo anao Hatrany ampiandohana Tsy nahitana fifaliana Tsarovy ihany anefa Izao lazaiko aminao izao Tiavo ny olontinao iny Fa aiza dia atao kilalao Veloma sombinaiko Fa aza malahelo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/afoiko
AFOIKO
RFE Andria
AFOIKO Afoiko avokoa ireo fahotana rehetra vita Tsy avakavahako, ny hita sy tsy hita Tsy hotononina eto ary tsy hotanisaiko Fa hitanao ry Tompo ny lisitra ao an-tsaiko Indro fa apetrako eo an-tongotrao Ny enta-pahotana novingitiko hatrizao Meteza Ianao hanadio amin’ny rànao soa Izay nalatsakao ho ahy ry Tompo J...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avo-rakoto/iza-no-hitarainako
Iza no itarainako
Ny Avo Rakoto
Ny nofoko mijaly Ny foko mitomany Fa zava-miafina amiko 'ty fiainana diaviko Toa feno mistery ka sarotra hazavaina Ny foko te hiteny Ny saiko mitaraina Ny rivotra misetra izay mandifotra ny fiainako. Eto ve no fetra, fetran'ny fiainako? Fa ny saiko dia mitady izay mba hifaliana kinanjo indro fahoriana N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/voarara
Voarara
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Tiako loatra anie ianao,saingy indrisy re malala Toa tsy fantany akory,izany fo raha tena tia Raha sinaraka aminao,angamba ho lasa adala Saingy indrisy,eny,mantsy,tsy avelany hankafy...! Ambony loatra anie izy...ka tsy azoko valiana Raha izaho ve no hamaly,inona moa izay izaho? Avelao aho re hitia,an'ilay mba ten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/made
MADE
jyno
Made a! Indry anie ho'aho tiako e! Tiako tena tiako efa hatramin'ny ela be. Marina e! Mba he!!! Tsy hoe vao izao akory fa efa tamin'izany, efa tamin'ireny fa izaho no tsy niteny. Satria... Matahotra aho sao ho ditsoky ny vovoky ny fitiavanao ny mason'ity foko ka ho pahina tsy fidiny tsy voky taona, tsy nan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanomezantsoa/fitia-efa-resy
FITIA EFA RESY
FANOMEZANTSOA
ento ho an ialahy izy ho an ialahy tanteraka k izay lasak aza eny mbola indro fa honerako dia ento any izy ary aza tazako eto intsony sao hampifoaha indray inty fitia efa matory inty sento ity no aleho mba ho ahy raha mety ho tsiarom-pitia ... FITIA EFA RESY
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avo-rakoto/tiako-ianao
Tiako Ianao
Ny Avo Rakoto
Tiako ianao ry tanindrazako, tiako ianao ka tsy anafenako. Ianao no lova tamin'ny Razako Ianao no hany mba fonenako. Ry tanindrazako malala Ianao irery no ato am-poko. Tiako ianao ry gasikara Tiako loatra ka tsy foiko. Ianao no tiako sy lalaiko mandram-pialam-pofon'ny aiko. Ianao no Nosy tena mamiko Tsy amid...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-arolova/atolotro-ho-ani-lys
atolotro ho an'i Lys
ANDRY AROLOVA
samy tsara na ny raozy, na ny benja vao mamelana samy manitra ny fofony rehefa tsofin-drivotra mihelana fa ny kanto avoakanao no nanintona ny maso nosakanako malaky, niangaviako hoe: andraso fotsy sy matsorak'endrika, voninkazo kely niavaka nosokajiako h' vatosoa dia halaiko mba ho ravaka olombelona mitafy ny ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-arolova/zaza-kely-tia-raha
zaza kely tia raha
ANDRY AROLOVA
kely mihisa raha aja mbo tsy ampy tao kely fa mahay manao manaonao fahatany bakeo marary mitomany ndre tratran'iny mbo tsy misy nefa lefa mankivisy ilany hoserea avao ty raha anatin'ny ainy ao nanandrakandra ka nahita nampisaly masikita tsinakotsakon'ny mahay mbo ndao avao tsy mety fay fitea raha fa lako l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avo-rakoto/iny-tsikitsikinao-iny
Iny tsikitsikinao iny
Ny Avo Rakoto
Iny tsikitsikinao iny, No tsy amoizako ny miaraka aminao. Iny tsikitsikinao iny, No mampisinda ny alahelo,sy ny sento anatiko ao. Iny tsikitsikinao iny, dia mitondra fifaliana mampisava ny adin-tsaiko Iny tsikitsikinao iny, dia tsiky mahasondriana mamelombelona ny aiko. Iny tsikitsikinao iny, dia miraki-java...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/ny-afatro
ny afatro
cedarf
taratr'andro arivariva, etsy andrefana tazanina, tara-bolana misoka, momba ahy ka mahamanina, irak'iza lahy ianao? sa 'lay tiako no nanafatra; ela tsy nifankahita, ka malahelo fatratra. toa faria manganoano izany masoko mijery, misy tsirin'alahelo te hisento fa miery. Ny elan'elan-tany maro mampanembona ahy anao,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/narilala/angaly
Angaly
Narilala
Foy anaty alina Ny tara-bolan-tsinana.. Vaky akoram-betso Ny nofy izay fongarin' Ny onjam-pahanginana.. Feon-kary miady mingerom-bonololo Sy antsam-pamosavy Vetsoin'ny vorondolo... Ny saina terin-tsoratra.. Tefim-po mangoraka. Manosaka ny hariny Ny ainga tsy iniana... Ianao koa zanahariny Fanahy tsy nianga...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/malala-lavitra-ahy
Malala lavitra ahy
Lantorose
Raha misy manontany Dia hoe efa manambady Any an kafa indray mitady Fa ny foko efa babony Anefa izaho matory Irery am pandriana Tsy manana olo tiana Handrotsirotsy akory. Raha misy koa mikitika Manintona ny tanako "Mialà fa halako" Tsy ilaiko akory Anefa zarako aza Fa mba mampangoritsina Ty vatako efa ela...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/narilala/ny-any
Ny any
Narilala
Hitsiky an-dranomaso aho Haminavina ny any... manafotra alahelo Ny jojon'ny tomany Eto an-takariva sina. Any izao ilay tiana Misangisangy orana Mifaly antara-bolana Anaty fenomanana... Malala ô! Tsy haiko ho tanana ny vetso Fa manindra anao anatiko... Tsy tantiko eny mantsy ny miaina singan-drery... Fa ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarindria/tiako-izy
TIAKO IZY
Daz'art Tolotra
Tovavavy iray. 'Zay tsotratsotra izay No mihelina mandalo, an'eritreritro any. Ka amoronako izao kalo Sy nofinofy mamy: Inoako ho paradisa Ny androny tontolony Ka fiderana alinkisa No hikalony eo imolony Ary moa tsy sambatra izy, Raha mbola eto antany Eny ho sambatra mihitsy Izany zazavavy izany. Nefa iza ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/mbola-ho-tafaray
MBOLA HO TAFARAY
jyno
Aleveno ao an-drefan-tanana leiretsy ity foko tia ity azafady indrindra. Ataovy eo amboniny iretsy vato iretsy Dia asio soratra "tsy azo afindra". Dia aza asiana tanam-bokovoko fa sary fo no ataovy eo ho solony. Lokoy mena dorehitra raha toa ka handoko Dia soraty eo ny day nafaran'ny tolony. Asio fefy mihintsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avo-rakoto/tsy-mbola-voafafa
TSY MBOLA VOAFAFA
Ny Avo Rakoto
Tsy mbola voafafa,ny diam-peninao Ao amin'ilay diarintsika. Tsy mbola voafafa,ilay anaranao Tamin'ny tantarantsika. Tsy mbola voafafa,ireo dian-tongontsika izay niaraka namindra. Tsy mbola voafafa,ireo lasantsika izay mamiko indrindra. Tsy mbola voafafa,ao an-tsaiko hatramin'izao ireny sangintsika ireny. Tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/indrisy-ry-iarivo
INDRISY RY IARIVO!
Aina Nirina
INDRISY RY IARIVO ! Indrisy ry Iarivo fa potehina ianao : Ho zaraina hanjakana no hanjary satanao… Fako maro miavovona no sisa mba mandravaka… Ny lalanao rehetra anefa mihafeno lavadavaka… Ny tonelina aza hono toa ahiana ny hianjerany… Fitohanana isan’andro efa mila hampitomany… Tsy mandry fahalemana ny atoandro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/kiady
KIADY
ANJARIVO Ronsard
Sombinaiko...etsy trotroiko Mitempo tsy miato aminao ity foko Ny tsara rehetra no iriako ho anao raha hamakivaky izao fiainana izao Ianao no kiady,tabia,rehareha Noharin'ny Avo,haren-dehibe Mitomboa fitia amin'ny ambany lanitra Ho mahery fon'Ilay Tompo Andriamanitra Tsy ho raraka an-tany raha ny hatsembohako H...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/flr/voninkazo-hafa-look
Voninkazo hafa look
Flr
Voninkazo hafa loko Nalaiko teny an-jaridaina Nampisinda ny toloko Nampisokatra ny saina Voninkazo hafa kely Tena ahy fa tsy nindramiko Ka tsy hoadinoiko velively Fa voninkazo tena mamiko Voninkazo tena miavaka Notsongaiko tao anatin'ny maro Voninkazo nanaitra ny fitiavako Ka tsy tiako hifangaro Nolalaiko i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/verokely-fianaroise/mianara
MIANARA
Verokely Fianaroise
Mianara raha tia ho tafita Indrindra raha tia ho any am-pita Ny fianarana no lova tena tsara Ho an'ny zanaka amam-para Mianara dieny mbola misy mpiantoka Ianao amin'zay tsy ho faty antoka Ny tsy misy mpiahy efa tena tsy fidiny Ka voatery tsy maintsy milanja ny ngidiny Mianara ary aza mba malaina Ka dieny izao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/ankasonny-tany
ANKASON'NY TANY
Aina Nirina
ANKASON’NY TANY (noho ny nahalasanan’i RAKOTOMALALA Felicien Kopi Kole Théo Rakotovao) Nahery loatra androany, Ny setrasetram-piainana tsy maintsy nozakaina, Nihalo ny tomany, Fa tena mafy loatra sy nihatra aman’aina : Tototry ny tany Ny nofo vao tanora mba nankafizinay, Dia tsy maintsy izany Ve ny ankasonao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/vavaky-ny-osa
VAVAKY NY OSA
jyno
Zanahary o herezo ity sandriko efa osa! Vontosy hery, hatanjaho ity sandriko efa godraka hoentiko mandresy ny fahavaloko mahavosa ary koa hanoseko ireo asany mitobaka. Ray o; omeo ahy! ny saina tsy mba kivy! Dia raha mety ampio kely fanahy mahay mandalina satria ny fahavaloko ka fetsy izay tsy izy mahay m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/flr/diso-fanantenana
Diso fanantenana
Flr
Nanatena saha edena Tamin'izany andro izany Nanantena ny ho mpanan-kerana Kinanjo nihosina amin'ny tany Nanantena fahazavana Tao anatin'ny telo volana Ny taona ity nifarana Tsy mety voavaha foana ny olana Nanantena filaminana Fa tapitra hono ny krizy Kinanjo nihinana ny tsy fihinana Lasa mankany amin'ny tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avo-rakoto/raha-mba-fantatrao
Raha mba fantatrao
Ny Avo Rakoto
Raha mba fantatrao manko, fa misy olona any ho any,tia anao mangina. Tsy sahy milaza akory ny fitia anatiny ao, tsy sahy mitafa akory na hiresaka aminao. Raha mba fantatrao manko, fa any ananonanona any, misy te ho tiavinao. Miandry lalandava,miandry foana ny fonao, saingy tsy henoinao ilay bitsiny mangina, sy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/tomany-i-gasikara
TOMANY I GASIKARA
Aina Nirina
TOMANY I GASIKARA (50 maty, 130000 traboina hoy ny BNGRC androany 23 janoary 2015 : ireo no vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Chezda teto Madagasikara) Ny manjo ahy sy tena mba tsaroako ? Manaikitra tsy tanty ny ratra ato am-poko Fa mafaitra loatra ny ankaso eto an-tany : Tsy tanako intsony ny jojon’ny tomany… ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gervais-ranaivoson/aoka-ihany-e
AOKA IHANY e...
gervais RANAIVOSON
Raha fiara tsara be Hitondra loza, handatrak'aina Dia aoka ihany izaho tsy andeha Mba ho tratry ilay maraina. Raha hanim-py izay nigagana Tsy hody hery, ho very foana Dia aoka ihany izaho tsy hoasana ...Fa sarobidy ny fotoana. Raha ianao izay notiaviko No fahavalo hamongotr'aina Dia aza tsiny! aoka ho laviko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/tsiky
TSIKY
Aina Nirina
TSIKY Tiako ianao ry Tsiky handravaka ny tavako, Hankahery ahy hizotra amin’ny lalako, Na ngidy na angola ny rotsin’ny fitiavako, Dia mbola ianao ry Tsiky no tiako ho eo am-bavako… Fa raha tsy ianao ry Tsiky no hitohoka amin’ny molotro, Dia ho longolongo no sisa mba hatolotro, Ka aza ilaozanao fa ‘ndrao mivonto ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/ekeo-ny-fitiavako
Ekeo ny fitiavako
Baraingo Valo
Efa nitsahatra ny orana, sy ny havandra izay niraraka. koa inona intsony moa ny olana raha isika no miaraka? ny taona koa vaovao mahabe ny finiavako, ka raha azonao atao dia ekeo ny fitiavako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana-ramanantoanina/sambo
SAMBO
Ny Avana Ramanantoanina
Mba sambatra ho aho iry sambo iry Fa lalan'ny mody mankany aminay, Fa reraka kosa ity tenako ity, Fa voro-mifatotra latsaka an-kay ! Ny lohan'ny manina mamelovelo ny kibon'ny lavitra be sentosento Ka hony, ry sambo, 'ty fo malahelo Hanafatra kely ka indro mba ento Ry sambo tsy tana, fa maila-pisosa Mamaky ny o...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/flr/nilaozanolontiana
Nilaozan'olontiana
Flr
Ny hany heriko mangina Malahelo sy misento Fa nilaozan'olontiana Ka marary irery eto Toa ngazana ny tany Manjaka ny toloko Tena mampitomany Fa maharary loatra ny foko Vitanao ny nandao ahy Tamin'ny ora tsy nampoizina Hay ianao toy ny tsisy fanahy Sahala amin'ny olom-boaozona Nomenao olon-kafa Ny fitiavako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana-ramanantoanina/sarotra-ambara
SAROTRA AMBARA
Ny Avana Ramanantoanina
Ny zava-drehetra mandeha ara-tendry, isika olombelona anisan'izany ny Tompo Mpitondra mahay sady hendry, asainy mitsiky ary mitomany. Imbetika isika dia faly dia faly, omen-kasambarana, soa sy mirindra, Mbetika kosa, indrisy ! Mijaly, toa latsaka lalina, lalina indrindra. Misento ny saina : injao manontany : m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/ny-antony-hanoratako
ny antony hanoratako
cedarf
Tsaroako fa toa vorona rava ankany aho, Ravin-kazo niala, tafasaraka amin’ny tao, Ka nihintsana amin’ny tany. Dia ny androko tomany Fa saraka ela tamiko izany tiako izany, Ka tsy mba ananako eto Ny tsiky fa ny foko no andolan-tsenseto. Dia miverina ato anatiko, Ny teny mafinao izay nandratra ahy ka tsy tantiko,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/hidera-anao
Hidera Anao.
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Hidera Anao, tsy mba hitrahatra Ka tsy mba ho lao, ry Ray izay mpandahatra Fa raha mbola misy, fotoana ihany Tsy hitrahatra mihintsy anie, fa hidera Anao hatrany! Tsy ho vita intsony, ny handao Anao Hanotana indray, eo anatrehanao Ka tsy hiverina indray, raha tsy efa voakapoka Rehefa injay,ny fo no mikara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/flr/avia-ry-sombinaiko
Avia ry sombinaiko
Flr
Avia ry sombinaiko, etsy ho trotoiko Ny hanalavitra anao, tena tsy foiko Avia mantona ho safosafoiko Avia ho eto an-tsandriko akaikin'ny foko Ry sombinaiko tiako sy mamiko indrindra Ny fitiavako anao tsy haiko hafindra Iriko ho aminao ny soa rehatra Ka hiaina am-pifaliana tsy misy fetra Ianao ry sombinaiko no h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/sa-hoe-a-a
sa hoe a a...!
RNofy
Marina sa oe a a!!!! Tsy midika tsy tia na mankahala Iza ary no mbola tsy mahalala Hatramin'ny nisian'ny hoe politika Nanjary maro ireo be fikafika Manangon-karena sady tia tena Mampijaly vahoaka mambotry firenena Marina sa oe a a!!!! Ireo nitondra, vazaha mody miady: ilay iraikalahy nandeha nibalady Dia hoe ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/misy-zazavavy
MISY ZAZAVAVY
Baraingo Valo
Misy zazavavy mambabo ny fanahiko ny bika tsy nindraminy. Misy zazavavy mahamirana ny saiko ny tsiky sy haminkaminy! Misy zazavavy kanefa dia tsy sahiko ny milaza zavatra aminy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/nofy-no-hampifaly
Nofy no hampifaly
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Raha sendra nolaviny ny faniriana... Ny nolavina mantsy,tsy ekena ho tiana Ny fo no maratra,fangirifiriana! Nofy no antsoy,hitondra hafaliana! Irony tia raha toa ka nolavina, Indrisy misento!fa tsy notiavina! Mionona,hono,ka ny lalana no diavina... Hanova no sisa,fa fo efa niavona! ...Miavia ry nofy,miavia mba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gervais-ranaivoson/teny-ho-natokana-ho-azy
Teny ho natokana ho azy
gervais RANAIVOSON
Tsy hoe mahantsa ho tantaraina Na kotran'ady mila an-kisa, Fa manan-javatra ho lazaina, Tsy vazivazy tsy adrisa Tsy hoe Balita tonga seza Ka ditin-kazo no hondanana Fa mpanety tonga areza Tsy Konjokonjo valin-tanana Otri-pery nyy ao anaty Mikotrika vain'afo mena Mila handoro izay tsy tanty Mifofo aina tsy ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/andriamanitry-ny-tia
Andriamanitry ny tia
jyno
Ry Andriamanitry ny tia, mamalia raha misy Ianao Moa fahotako ve raha toa ka tiako izy? Fa toa sabatra aman-defona no natsatony ahy izao Ny iray ivoho, ny iray aloha Trobatrobaka ny fo Fa namery ahy ny mariny Fanina aho ka nitsirepy Moa mba tandriny ny rarainy? Toa ompa aza no nisesy. Voatonona avokoa ny reny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/tana
Tana
DotMG
Iny anabaviko iny Anaty Facebook dia sipa manja ery Toa maha-te hitia. Firentina vahiny Fa ny azy ange ny look manaraka lamaody Ka maro mpihaodihaody. Kanefa anie tongava Mankany am-piangonana mijery azy mivavaka Fa tovovavy miavaka. Fa ny azy zipo lava No entiny hanakonana ny ranjo hakitrokely Ka maotin-toa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/natita/takariva-menakely
Takariva menakely
Natita
Iny hariva iny, nisy maso nifanena Nifampibanjina matetika, jery roa nifampierika Iny hariva iny, nisy fo anankiroa Nifampidoboka tsy tana, tempo mafy manadala Iny hariva iiny, teny amorotsiraka iny Tia sy tiana iray sento, hiaradalana hiventso :" Fitiavana" Iny hariva iny mantsy, teny amorotsirak'iny Fif...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/ianona
Ianona!
jyno
Eh! Ianona a!!! Ianao ity aloha tena mahafinaritra e! aleo aloha dia tsorina Baribary maso, tsy dia petak'orona maotimaotina fiakanjo, tsaratsara ranjo. Ny tananao ihany koa: tsy dia lava be ny hoho ka ataoko fa tsy handratra raha toa ka mihaotra satria tsy mafy loatra. Eh! Ianona a!!! Ianao ity ho'aho tena m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/miangavy
Miangavy
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Mbola tsy fantany akory dia nitenenana ny ratsy... Mbola tsy nitia akory dia efa norarana Indrisy e!angamba ho'aho vitan-dratsy... Saingy fitia miredareda,ka tsy azoko hofafana...! ...Ny vatako eny anie,azonao fefena Fa ny foko kosa,tsy ho azonao mihintsy! Saingy tia aho ve,dia tsy avela hanantena? Toa feranao f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ragasy/na-dia-izany-aza
Na dia izany aza!!!
Ragasy
Na dia izany aza ve dia no fafanao ny Anarako? Aza hitako! Marina hoe, dia sanatria koa ve novonoinao ny tantako? Izaho no diso,ekeko izany! Kanefa na dia izany aza ve dia tsy nojerenao akory ny tomaniko? Eh! Ireo tsara vitako anie mba jereo e! Hifonako re ny fahadisoako e! Lelafiko ny faladihanao; mba hiantr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gervais-ranaivoson/tsinotsino
TSINOTSINO
gervais RANAIVOSON
Raha ny lasa no tsiaro Raha ny omaly no visaina ...Korontan'ota nifangaro Nifofo hamongotra ny aina. Tsy ny tena no nahery Na ny saina o natsilo, ...Raha velon'aina sy miteny Dia teo ilay Ray tsy nanadino. Sanatria tsy ny hamanjana Firehareha sy fianteherana, Raha tomombana ny anjara Dia teo ilay Ray izay fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/ho-mandrakizay-anie
HO MANDRAKIZAY ANIE
ANJARIVO Ronsard
Rivo-malefaka ….tsara fitsioka Atosiky ny onja …kanto fitopa Ravahin’ny kinta-mamiratra ambony Sy irony tara-diavolana tony Maha-manimanina ny any aminao Mamohafoha ireo dina natao! Iroa habakabaka somambisamby Injany ny feom-borokely manamby Andian’arosy mamonjy fodina Meva filatro toa mahasodriana Mandrit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/antsonny-fo
Antson'ny fo
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Endrey ny fitiavan-dehibe Nomeko anao,r'ilay malalako Moa va,mba tsapanao ve? Fa mandra-maty ny fitiavako? Raha lavinao dia mijaly re Ny ranomaso,indro hitete! Ka ho ory indrindra re ny amiko... Mangidy loatra ka tsy ho tantiko! ...Ny foko anie,izao miantso izao Ry tiako o!mba aza lavinao! Tsarovy anie ilay f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/natita/tsarovy-re-olona
Tsarovy re olona!
Natita
Misy ora toa tsy ho hay Fotoana tokana tsy fantatra Hiantsoan'Izy Ray:"Anao" Amin'ny andro ankamantatra Tsy misy hoe nahoana Fa lasany tsotra izao Ilay nofo mora levina Ao anaty fahafatesana Ny fanahy sisa miantrana Ireo tapaka sy ny havana Tsy hahafahana intsony Hikopa-tanana ny tany Raha nahavita nanasoa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gervais-ranaivoson/vavako
VAVAKO
gervais RANAIVOSON
Ray ô! Enoy 'zao vavako izao fa, Tsio-drivotra manify Manopatopa ny fanaha Hamakivaky izay tandrify Hananika ny lohasaha. Ventsokira nohalefahana Tinosiky ny aty fo Ho fanati-pangatahana Hanafosafo anao tsy Toha. Hofahofam-pandresena Handrindrina ny ahiahy Hanavao izay nekena Hamotsy indray ny fanahy. Taka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/porofo
POROFO
jyno
tia anao tokoa aho fa ninia tsy niteny satria fantatrao izay nataoko ho anao rehetra: ny fiteny sy ny...etsetra dia efa ampy angamba ireny hanambara ny ato am-poko ka na ny sary, na ny loko nampiasaiko t@ izany dia nataoko loko tokana fa tsy mba mifangaro mba ho azonao takarina: tia aho no tena marina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/ny-fanantenako-anaty-ny-sarotra
NY FANANTENAKO ANATY NY SAROTRA
ANJARIVO Ronsard
Sarotsarotra ny eritreritro voasoritsoritro ho saritsari-pahasambaran-tsy ho lany Raha hiofo paradisa ity tany Tany dibo-pahoriana Tany difitr’akiviana Tany safo-dranomaso Tany rakotry ny ankaso Mbola ho nofinofy koa Ireo rofirofi-pahantrana Raha hivadi-batosoa Ka ho foana ny hadalana Eto Manankasitsara Nos...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/alim-pahasambarana
Alim-pahasambarana
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Alina iny mangingina, ravaha-nofy mamy Miserantserana any... Endrik'olona iray Endrik'iray tsara voatra... safidim-po ety an-tany, Endrika atamberimberin'ny nofy mandrakizay! ...Avelao aho hanofy foana, ry alim-pahasambarako... Ny nofy,hono,raha mamy, satry hanofy hatrany? Mitete ranomaso,hono, ny mason'ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/patrick..ra/tiako-ianao
Tiako ianao
Patrick..ra
Atao hoe fitia adaladaa, ne toa tsy man_tsahala! Atao hoe diso varavarana, nefa mitombo tsy mety mifarana! Mibaribary raha hoafenina, tsy holazaina toa mampanenina! Odina fanina toa mamparary, ato tsy hita tsy mampanjary Raha tsorina dia lasanao ny foko, torak'izany koa ianao fa inoko! eny ,aminao indrindra, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahy/misaotra
MISAOTRA
AHY
Misaotra anao aho ry aiko Tamin'izay rehetra vita hatrizay Betsaka tokoa izay nosedraiko Raha tsy teo angamba ianao Asa izay mety ho nahazo Fa ny fiainana tsisy anao koa Angamba toy ny voninkazo malazo Misaotra ry lala, amin'ny fo tokoa Nahafoy tena sy nahafoy fotoana Eny betsaka ireo asa soa Izay nomenao mai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/indrisy
Indrisy
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Indrisy re,indrisy! Fa raha ny hotiaviny no hisy, Dia ny bozaka no isaiko, Ny hanantena toa tsy ho haiko! Tiako loatra anie ny aminy, Saingy indrisy!tsy anjara! Tsy ho ahy anie ny maminy... Ka ny mionona no tsara! ...Fa na dia hionona aza anefa, Indrisy e!mbola hitia mangina! Fa fitia tsy mba diso fiantefa, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/natita/hafatra
Hafatra
Natita
Any hafatra mba tiako Ho ren'ny sofinao Dia ny teny hoe : "Mivavaha,mahareta" Any hafatra mba tiako Ho fantatr'ialahy Ilay soratra hoe : "Miverena,miantra" Any hafatra mba tiako Hozaraina ho an-dry Teny iray mafonja "Matokisa ho doria" Any hafatra mba tiako Tantaraina ho anareo Ka tsy asiko hambahamba "M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/ny-ahy
Ny ahy
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Ndeha hampitony ve sa hampitomany, Irony nofy an'alina mangina? Nony injao tafaverina an-tany, Indrisy tsy anilan'ny tiana! Ny ahy ka fitiavan'akany... Raha sinaraka toa fijaliana! Sembanan-drahona ve sa anatin'ny lalina... Irony nofy somambisamby? Raha maizina anatin'ny alina... Raha safosafo dia tambitamby ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/fitiavako-anao
FITIAVAKO ANAO
Aina Nirina
FITIAVAKO ANAO Miboiboika ato am-poko ilay onjan’ny fitiavako, Tsy voatanako ny jojony ka dia indro voalazako : « TENA TIAKO IANAO akia, mba ekeo re rahavako, Avia honenanao ny foko ka mba raiso koa ny tanako… » Tsy maninona tsy akory raha toa ianao tsy ho ahy, Fa mba avelao hisidina sy hiainga ny fanahy, Dia en...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/ecce-homo
ECCE HOMO
Ari Ira
Iza? Iza ho'aho? Iza, izaho? Sa iza? lazao... lazao raha sahy ianao Mba iza loatra no sahy mampitroatra fitia toy izao? Iza, iza ho'aho? Iza, ianao??? Sa iza? Hainao? Lazao raha fantatrao Mba iza tamintsika no sahy nampangatsika ilay niaraha-nanafana? Ah! tsy izaho, miniana aho aminao tsy avy amiko veli...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ali-be/efa-tsy-hay-intsony
EFA TSY HAY INTSONY
Ali BE
Efa tsy hay intsony ! Efa tsy hay intsony ity lala homba Mivezivezy ny saina , marary ny fanàhy Ny vatana tsy afaka intsony , ny eritreritra tsy voatà Ireo nianteherana sy nantenaina efa tsy miraharà Tsy izany ve ny zava-misy ankehitriny ? Tsy izany ve no hiainantsika amin’izao ? Dia iza ary no azo omena tsiny ?...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/tahaka-anao-ihany
Tahaka anao ihany
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Tahaka anao ihany anie izaho Vovoka ary mbola hody ho vovoka... Izany tenako manahy, Raha tojo hatsiaka aho mangovitra! Natera-behivavy anie izaho Ka mba nosorany menaka ihany Saingy indrisy re,talaho...! Izany fiainako eto an-tany Mba tena tia ihany anie izaho Kanefa toa lavina tsy satry Rehefa injay mba mit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ali-be/tena-marina-
TENA MARINA !
Ali BE
Tena marina ; Tena marina ny voalazanao ! Fa izao tontolo izao No natao dia tao anatin’ny Fahamarinao Tsy nisy nitongilana Tena marina fa IANAO tokoa ilay tokana Ilay tsy mana_paharoa Tena marina fa tsy nisy raha tsy nisy ny nampisy Nefa indrisy, Fa tsy tsapany nampisiny ny herin’ilay nampisy F’angah tsy izan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/manina
manina
cedarf
Ry onja malefa-pandihy tsy mitony, Mitarika foana ny saina hilefa, Hamangy olon-tiana any ampitan’ny ony, Fa manina an’azy ny saina rehetra. Ry ala miritsoka mora any ho any Manainga ny fo sy ny saina ho manina Lamakon’onja malefaka hatrany No re ka mitraotra ny tsiahy mahafanina. ry vohitra maro mba tiako hovi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andony/ity-noely-ity
ITY NOELY ITY
andony
ITY NOELY ITY 1- Ity no Noely faha efatra ambin’ny folo sy roa arivo Efa firy tokoa moa izay no lasa ? mba tsahivo. Sa mbola hiandry Noely hafa indray Sao dia ho diso aoriana loatra fa mba aok’izay! 2- Ity Noely ity no krismasy fankasitrahana Na ny kely na ny lehibe mahazo fahafahana Ka ny hevitrao no sisa, n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/avia-_-viens
AVIA _ VIENS
Aina Nirina
AVIA Ry aiko, Aoka ianao hitony, Aza mitomany intsony, Vita hatreo ny olana, Mitsahatra ny orana… Atsaharo hatreo ny ranomasonao mijohy, Ny ranon’ny fitiavana no indro ka sotroy… Ny lasa ratsintsika, avelao sy hadinoy, Hiaraka isika hiezaka hanadino Ka ny ho avintsika no sisa mba banjino… Mangina… dia avia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/ianao
IANAO
Aina Nirina
IANAO Variana aho mijery ny hakanton’ny endrikao, Sy ny lefaky ny jery ‘zay omen’ny masonao, Ary izato bikanao tsara arafitra an-tsary… Tena miaiky mihitsy aho fa mahay ilay Nahary. He izato volonao fa mitopa toy ny onja, Ny tsikinao dia mambabo na iray segondra monja, Ny feonao moa raha miantsa tena hafa fiango...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/tena-tsy-azo-atao
TENA TSY AZO ATAO
Aina Nirina
TENA TSY AZO ATAO Tsy fantatro intsony ny doboky ny foko… Kanefa toa tsaroako : Somary nihafaingana sady hafahafa Tamintsika ilay nitafa…. Hafahafa nefa tsy haiko nofantarina Hoe inona ny marina ? Nezahiko nahena ny gadon’ny fidobony Sy ilay fandrobony… Tsapako nisisika ny tsirin’ny fitia, Nefa anie mania, R...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andony/ny-noelinay-anio
NY NOELINAY ANIO
andony
1. Ny Noelinay anio, ry Tompo ô noho Ianao Ka hosana sy hobio, no injao manako ao Fa androm-pamonjena, fanavotan-dehibe No atolotrao sesehena, ho an’ireto marobe. 2. Ny Noelinay anio ry Tompo ô irinay Mba ho Noely fankasitrahanao anay Ka ny fiderana sy ny Antema izay atao Dia mba ho tena hanitra ho ankasitrahan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasinamanambina/mba-henoy-ry-ray
Mba henoy ry Ray
Hasinamanambina
Isaorako anao ry Ray, ny nivimbinanao ny tenako Ka nahatratra indray ilay andro tsingeritaonako Raha ny ota vitako dia tena tsy mendrika izany Fa Ianao ilay Ray namela namindra fo hatrany Koa ifonako eto anio, ireo heloka be zay vitako Hiezahako hatrany hanary ireo karazan-ditrako Ka mba omeo ilay finoana izay m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/voninkazonny-nofy
Voninkazon'ny nofy
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Vao tamy izany alina Dia mifaly sy mihomehy... Miandrandra nofy lalina... Ka hahita ilay tarehy! Voninkazo tsara tefy No mivelatra eo aloha... Voninkazo mahatomefy, Sy mahatretrika ny fo! ...Tazako ao ny hakantoana Zara raha hitako an-tany Voninkazon'ny finoana... Ka dia voninkazo hatrany! Voninkazo iray ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/tsy-haiko
TSY HAIKO
Aina Nirina
TSY HAIKO Tsy haiko ny hamafa ny endrikao ato an-tsaiko, Mihalo foana eo imasoko ny salovanao ry Aiko, Ny tsiky teny imolotrao isaky ny eo anilako, Mbola tena tiako foana ka mandravaka ny hirako… Tsy haiko ny hanadino ny vitantsika hatrizay, Mbola satriko hiverenana hiainana indray… Tamintsika mbola niaina ny fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/j.j.f-1/ity-hirako
ITY HIRAKO
J.J.F.
ITY HIRAKO… Ity hirako miranty ka misosa moramora Ity hirako milanto, lokoloko iray matsora Ity hirako marevaka, vonindraozy vao notazako Hiraketako mangina ny soanao ry tanindrazako Ity hirako misioka feo mangan-drotsirotsy Ity hirako baliako tsy sandaina volafotsy Raha tojo anao ny sento na mamangy ny toloko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/j.j.f-1/tsiky
TSIKY
J.J.F.
TSIKY Efa fatram-piangola Voninkazo ianao ry aina, Mody sina takariva Fa baliaka vao maraina, Ka ny maso no maniry ‘Zato tsikinao sariaka Toy ny raozy vao mitsiry Etsy anivon-jaridaina. Dia mahalasa saina, Mahatoro ny vinany. Efa fatram-piangola Paradisanao ny tany… Fa ny amiko tsy laitra Aloka aza voazai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/j.j.f-1/...raha-poeta-ianao
...RAHA POETA IANAO
J.J.F.
…RAHA POETA IANAO ( Atolotro ho an’ireo Poeta sakaiza rehetra) Nandalo teo imasoko tanaty onjam-peo Navadiko ny boky dia indro koa naneho Fa Poeta hono ianao Poeta ve ianao Ka izao tontolo izao Sy ny voary manontolo No ho raketinao daholo ? Poeta ve ianao Ka iny volana iny Iny habakabak’iny No andaninao her...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ali-be/ity-ianao
Ity Ianao!
Ali BE
Ty ianao !! (Madagasikarako) Ty ianao , migogogo mitomany hono ! Raha mba fantatarao ny anton’izao De naleonao tsy nierika intsony Ary nofafanao ito ranomaso Nipetraka fa ketraka Niondrika nitolefika Lany aiky, lany jijy Efa saika natao avokoa ireo tetika Ary efa nanatonana panandro sy pisikidy Dia izay no ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/j.j.f-1/lay
'LAY
J.J.F.
‘Lay Zary toa nofy tokoa ‘zany lasa ‘Lay lasa niarahana tan-nilanao Ireo teny maro toa zary nandatsa ‘Lay latsan’ny feriko anatiko ao Toa kivinavina no sisa manonja ‘Lay onja navelan’ny fahatsiarovana Ireo tsiky mamy toa tsapako fonja ‘Lay fonjam-pitiavana izay nolalovana Asa raha toa ianao mbola mitsiky ‘Lay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-soratsoratra
MISY SORATSORATRA
Fredy Jaofera
MISY SORATSORATRA Misy soratsoratra namborahana fitiavana mbola ohatrohatra manefy tomandavana. Misy soratsoratra mamoha indray ny ratra sy manokatsokatra ny alahelo izay nihatra. Misy soratsoratra mitondra ny ady mafy toa mamela holatra sy tsaroana nampihafy. Misy soratsoratra mampirotsa-dranomaso, na e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/j.j.f-1/ny-vola
NY VOLA
J.J.F.
Ny vola Ota mpandrafy ny foto-pisaina Mahaefa ny faka any anatin’ny lalina Hery masiaka voatakalo aina Rindrim-baventy takalon’ny marina Sandany tokana ivon’ny ady Manda mpiaro ny fahamboniana Iraka feno mandrava ny fady Mpanapaka tadin’ny fianakaviana Ozatra mafy sy maha rangahy Mpanjaka voalohan’izay hokasa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/orianny-fitia
ORIAN’NY FITIA
ILIMIM JIVISDI
ORIAN’NY FITIA ... Malahelo aho. Sanatria raha mila vanina Tena tia aho.Fa mody hodianao fanina Mitoreo aho. Tsy sahy milaza akory Tena babo aho. Fa tsy tsapanao fa ory Mijaly aho. Maniry ny ho eo anilandry Marary aho. Matoa midodododo aty Maratra aho. Rangotin’ny ankaso Fa noho ianao. Dia kotsan-dranomaso Mia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/enga-anie
ENGA ANIE
Aina Nirina
ENGA ANIE… Raha toa sitrakao ny miara-dia aminy, Ary tena ianao no tiany sady maminy… Enga anie ianao hiaina am-pahasambarana, Fa ny tantarantsika eto no mifarana. Raha tianao hotapahina ny fifamatorana, Ka sampanan-dalana ny lalana izorana… Enga anie ho anao hisosa izany dia, Ho lavitry ny olana ny zotran’ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/hikimpy-aho-ry-tompo
HIKIMPY AHO RY TOMPO
Aina Nirina
HIKIMPY AHO RY TOMPO Hikimpy aho ry Tompo raha hivavaka Aminao, Satria tsy te-hahita an’izao tontolo izao, Fa manodoka ihany ny zava-tsoan’ny tany : Ny hiratr’hazavany ankosotra ihany… Aleoko mihitsy aloha hakimpiko ny masoko, Fa tsy te-hahita ny hamaintin’ny ankasoko… Aleoko hamirapiratra ao anatiko ao : Ny za...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/nofy
Nofy
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Matoa manofy aho izao alina izao Ka manonofy eto izay mety ho aminao... Tsy ho nofy an-terisetra...tsy ho nofy hangalarina Fa ho tsiaroko anao,hanofy...!fa dia manina! ...Fa satriko hanofy mandavan'ito alina Ka hitondra anao,anaty nofinofy lalina... Ka ny riman-tononkalo,mandrotsy mahasondriana No hovetsoiko ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ragasy/siotsiokan-i-dadabe
Siotsiokan' i Dadabe
Ragasy
Ô re olona? Ilay siotsiokan' i dadabenay Tsy ho adiniko mandrakizay! Ankehitriny, nangiana izy; Indro, tomany ny ankizy! Folaka Andry niankinana ny daholobe Tsaroako ilay solonifiny nipitika rehefa vaky hehy! Toa manina azy aho izany! Tsy maintsy nandao izy satria olona ihany. Raha mba izaho tokoa mantsy no An...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gervais-ranaivoson/ndeha-hanmbotra-ny-lalanny-tompo
NDEHA HANMBOTRA NY LALAN'NY TOMPO
gervais RANAIVOSON
Injao misy feo manako any ho any, Mitaraina mafy mampita aminao: Amboary ny lalan'ny Tompo anjoany, Faingana daholo, ndeha izao dia izao Ahintsio tsy hibiloka intsony ny meloka, Totofy ho marina koa ny kilavaka; ...Mafimafy izany tsy vita an-tselika Alao hery ary faingana rahavana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/ngahy-le-maire-
NGAHY LE MAIRE Ö !!!
KIRIAH
Ô ry Ngah le maire ô! Ilazao ny député Fa potika daholo ary ringan' hono hoe Ny seza ,dabilio , varavarana, fitaratra .... Tsy rariny ary ve raha ho kamokamo reo mpampianatra Ny tafo mitete Tsy misy gaboné Hatramin ny paompy avy no midongy tsy mandeha Mitokona matetika ny mpianatra eny ankatso Ny fiainana miha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/endrikendrika
Endrikendrika
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Misy lalam-piainana iray any ho any... Izay tsy maintsy hodiavina raha mbola eto an-tany Mampivonto ny fo,mandreraka ny saina Na mafy na mora dia tsy maintsy zakaina! Lalam-piainana iray mitranga matetika Ka raha tsy mitandrina,mety hilentika! Efa nandavo olona maro Satria azo vidiana sy azo atakalo! Mazana mia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/verokely-fianaroise/raha
RAHA............
Verokely Fianaroise
Raha mijaly ianao anio Na ao anatin'ireo olana Tsarovy tsara, tadidio Fa mbola ho avy ny diavolana Raha sendra tonga ambony Dia ny miondrika no mety Fa raha itony fiainana itony Dia toy ny kodiaran-tsarety Raha manana toerana avo Mba tsarovy ihany ny iva Sao rahampitso ianao ho lavo Ka hitsofan'olona antsiva...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/saro-kenatraho
SARO-KENATR'AHO
ILIMIM JIVISDI
AZA HOMENA TSINY AHO RAHA SARO-KENATRA AMINAO KANEFA, raha hakipinao ny maso Tsy hibanjina ny tavako Raha fihininao ny tanako Hilazako ny ao am-bavako Dia ho tsapanao ny ratrako, Fa raha hondananao ny tratrako Dia angamba ho tretrika aho, Dia angamba ho tsapanao Izay hafenimpeniny ao, Dia angamba mety ho mor...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/ny-fiverenanao
NY FIVERENANAO
Aina Nirina
NY FIVERENANAO Raha ny ronjon’ny tomany, Noho ny fandehananao, Moa hahaonitra izany, Ny fiverenanao ? Raha ny ratram-poko, Ny jaly sy adin-tsaiko, Ny banga nofenoiko, Ny mafy nozakaiko… Ary ankehitriny, Miverina ianao, Tena tsisy tsiny, Saingy henoy izao : Efa misy solonao, Efa misy tena tiako, Olon-tiak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/inona-moa-izay-izaho
Inona moa izay izaho?
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Inona moa izay izaho? Toa ravin-kazo sara-taho...! Mitia tsy mba misy mpangoraka Vao miroso dia maro mpitoraka...! Inona moa izay izaho? Raha mba mitory fitia aminao Lazaina fa hoe adalana Nefa fitiavana tsy tana! Inona moa izay izaho? Marary e!fa nolavinao! Niteny tsy mba nohenoina... Fa ny hafa kosa antsoi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gervais-ranaivoson/fety-mira-fandresena
FETY MIRA FANDRESENA
gervais RANAIVOSON
Madiva hifarana ny taona Mandindona ny fety, Dia ilay andro sy fotoana Hisehoana ho mpandresy; Nandresa ady mafy ...Gidragidra izay nifafy, Tsy nahitana fifalina K'anio saiko tsy angina. Madifa ho tonga ity ilay ora Niandrasana hatry ny ela Efa nanonkanam-bola Hifandonandonam-bera K'asakasakao tsy hamango ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/lavitra-any
Lavitra any...
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Ho anao, Tsarovy izao teniko izao, Tsarovinao lavitra any... Mafy anie izany tsy anilanao Tena mafy,mampitomany! Fa tsaroako finaritra aho raha anilanao Tsaroako mijaly kosa raha saraka... Maninona aho re no dia nilaozanao? Indrisy!ranomaso sisa no miraraka! Fa fahatsiarovana sisa tavela Fahatsiarovana izay m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/nofy-tsy-hay-hadinoina
Nofy tsy hay hadinoina
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
...Fa alina nafampana... Ary lamba nihisaka mora... Toa mamelona fanantenana Ilay bikany bakorakora Dia zavatra tsy inona ihany Fa toa zava-poana an-tany! ...Fa alina tsy fanadinoana Ary nofy niantefa tsy satry Atamberimberiny eo foana Ilay endrika mahafatifaty Kanefa dia mbola noana... Izany foko?-tsy afa-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/ianao-ry-aina
IANAO RY AINA
Aina Nirina
IANAO RY AINA Ao anaty nofiko, Ianao no tohofiko, Maraina vao mifoha, Ianao no ao an-doha, Ny androko tontolo, Tsy misy mahasolo, Fa ianao ry Aina, Ianao no ao an-tsaina. Ny vetsovetsom-poko, Ianao no tsaroako, Ny kalon’ny fitiavako, Dia ho anao rahavako, Ny tsiky sy tomaniko, Ny halako sy mamiko, Am-pel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/tia
TIA
Aina Nirina
TIA Niserana toa nofy Ny maso nifanopy, Narahin-tsiky kely, Ka mainka nihanahery Dia mody tsy niraika, Kanefa efa maika, Satria tany am-po : Efa tena TIA tokoa... Dia mody hoe moana, Rehefa manoloana, Nefa te-hiteny foana : Hoe TIA, tena TIA... Te-hanome FI TIA : Fitia tena FY, Sy hanome FO TIA, TIA ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/nolavina
Nolavina.
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Mba nitia ihany fa tsy notiavina Ity izay mba naniry fatratra,indrisy nolavina! Ilay mba tena tia,nitalaho impiry Ka raha mba noraisiny,mba efa nitsiry...! Ny fitiavana moa tsy hifanerena Ka tsy afaka hankaiza rehefa tsy tiany! Any sisa hery dia ny manantena... Manantena any an-kafa sy ny ho mba ekeny! Nolaviny...