url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiana/mihevera
MIHEVERA
TIANA
MIHEVERA MIHEVERA… Raha ny tsiky izay mandalo No hampirehi-katezerana Hananganam-pahavalo Tena asio fiheverena Raha ny maso in-dray mijery No entina hampivatravatra Hampihomboana indray ny fery Ento mora ‘ndrao maratra (na mikimpia rehefa tsy zatra!) Raha ny teny tsy voavaly N’hanaovana an-katerena Hanerena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiana/tsy-andriko
TSY ANDRIKO
TIANA
TSY ANDRIKO Andro vitsy monja sisa no ahafahako hitanisa s'hiaina farany indray ny fahazazàko hatrizay D'izaho ilay mbola nampifila Mba niteny hoe tsy mila Nefa tia hatramin''iny Ary anio efa tsy andriko Ny hiavian’ilay fotoana Hiantsoany ahy “andefimandriko” Hiarahanay mandavataona
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/aza-ajanona-ny-penina
aza ajanona ny penina
Mikanto
AZA AJANONA NY PENINA... Aza ajanona ny penina, Fa ianao manana talenta, Ambarao fa aza afenina Fa ianao anie poeta... Aza menatra akory... Raha misy tiana ambara Eny na dia sorisory... Na ratsy na ho tsara Aza ajanona ny penina, Fa ny hafatrao dia hanasoa Ambarao fa tsisy nenina... Fa hitera-bokatsoa Amba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazah/mamy-ny-miaina
mamy ny miaina
zazah
Mamy ny miaina rehefa misy izay ilaina: trano ny fanaka, vady sy zanaka, fitia sy safosafo, vary sy sakafo, fiara sy fitafy, finday sy solosaina... Mamy ny miaina rehefa tsy mihafy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ezako
EZAKO
AMN (Arialy)
Vao napetrany ilay antso, halalino kely anie hoe hisaraka hono izy, ny filazan-dramose fa tsy faly ilay havany, ka hisao-bady izy tonga fofona, avo vava, tsy mihevitra ny ankizy tsy mba haiko izay voalaza, toa gaga lahy aho tsy ilainy koa hiteny, raikitra ny zahozaho izay baoritra mangina, izy ireo manko an'asa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiana/te-hanadino
TE HANADINO
TIANA
TE HANADINO Nofy raha ny lasa efa nigohana ny mamy no ho adino tampoka eo Tsy adino ireny na hilaozana Tsaroana foana n’inona endri-panavaozana Tohofy raha ny lasa niaretanao ny jaly no anio zary mamy Fihino fa aza hilaozana Anio izao no fotoana sy ilay andro fiotazana Fa raha toa te hanadino ny hirifiry sy alah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazah/omenao-ahy-hoe-ny-lanitra
omenao ahy hoe ny lanitra???
zazah
( ho setrin'ny "omeko anao ny lanitra", Tsiky dia ampy) Omenao ahy hoe ny lanitra??? Ianao angaha adala sa minia tsy mahalala fa zava-masina ny lanitra; fonenan'Andriamanitra k'omenao ahy ahoana??? ...miteniteny foana!!! -Omeko anao ny volana e, kintana e...habakabaka... ngah io anao! fa an'izao tontolo izao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/mifankatia-hatrany
MIFANKATIA HATRANY
harylovah
Ny fanahy No mahalala Ny ngidy manadalan' Ny embona sy tsiahy ... Ririnina izao Ngoly izato nofo Kanefa tsy mampiofo Ny fitiavako anao . Fa na dia lavitra any Ny misy anao, tsy tazako Dia tena ahombiazako Haiko mankamamy Hainao miaina koa Ny manafàna hatrany Ho mamy tena mamy Ny fiombonantsika roa Ka et...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/ry-nofy
RY NOFY
ikaloyna
RY NOFY Etsy, maitia ry nofy Meteza mba indramiko Ny handriny tohofy Mamy avy amiko Vimbino koa ry nofy Ity raozy vaovao Ny fony mba totofy Fitia tsy mety lao Jona 14
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarnjat/ma-dcision
Ma décision
yarnjat
Hosoratako ho anao ity tononkalo ity Hosoratako ho anao hangalako ilay fitia 'Lay fitia izay natolotro Nahalalako fa voafitaka ny molotro Hatramin'izay adala aho nitia anao Alahelo, hirifiry, ranomaso nozakaiko Saingy indrisy fa nataonao kilalao Nefa izaho naharary hatramin'ny aiko Eny, tapa-kevitra aho ankehit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/ilay-alintsika
ILAY ALINTSIKA
ikaloyna
ILAY ALINTSIKA satriko hiaina ilay ali-mamy nisambarantsika tanaty "tena izy" alina masiaka ! ianao 'lay natahotra ... izaho koa toa vahotra ... ndeha hioty kintana ... fa somamby volana feo mangovingovitra fo mihovitrovitra hira manga indrindra rima tsara rindra hery iray manonja anaty vony babo atopan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiana/renoka
RENOKA
TIANA
RENOKA RENOKA Indrisy tsy mba nisy na dia sary iray monja mba nielina ny saiko Tsy hoe niniana akory,resin-tory angamba aho tsy haiko Sondrian’ny soratrao kanto tsy hita isa an’alinalina namefy ny eritreritretro homba anao mamatonalina Niandry sao mba mety ho voavaly vetivety Fa ny teninao tsy hita, ny ora koa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasabotsy/nofy-ratsy
NOFY RATSY
RASABOTSY
NOFY RATSY Raha ho sainiko tsy miato sy ho ventsoiko mangina raha hodradraiko hanakoako iza anefa no hampangina ? raha ny fahorian-tsaiko no hodradraiko ho ventesiko ; mety hisy ihany ve teny mamy horenesiko !? Ireo alahelo lava ve no hameno izany foko ? ny androalavam-piainako ho temerin'ny toloko !? Raha tsy h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/sisa-7082
SISA
ikaloyna
SISA lavenona ilay sisa sisan'ny tahiry setroka ilay sisa sisan'ny lavenona rahona ilay sisa sisan-tsetroka iny ... lavenona ilay sisa azoko ho tahiry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazah/fiainana-mandrakizay
fiainana mandrakizay
zazah
Impiry rovitra ny lanitra, Impiry nihovitra ny tany, f'isika eto ihany... Avelao ny voaary hanohy ny diany, raha izay no tiany, f'isika ho eto ihany... Ho rava ny tontolo rehefa tonga ny fotoana, f'isika tsy hikoro fa mbola hijoro, eto foana foana... Ny lanitra sy tany ho levona, f'isika ho velona mandrak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazah/hataka
hataka
zazah
ampianaro aho ho tia mahay mankafy ny tena tsiron'ny miaina tsy tia tena fa mankamamy aina; omeo tsiky tena vokatry ny fo, omeo saina mankato sy omeo fanahy mino... Dia vimbino ny fofon'aiko raha mby handao ahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/voafafa
VOAFAFA
mlanto
VOAFAFA Voafafa ilay sarosikom-pitia Izay noheverina hiraikitra ho doria Satria angamba nisy nanao ankasoparany Mba tsy haharitra hatramin’ ny farany Voafafa, tena indrisy fa voafafa Ilay fitiavana mamy efa lasa Izay niredareda mafy loatra Te-hivoaka aok’ izany te-hitroatra Voafafa ilay vovom-piainam-pitiavan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarnjat/ny-izaho-sy-ianao
IZAHO SY IANAO
yarnjat
Ny izaho? Ny izaho fantatro? Dia tsy ilay izaho fantatrao Fa izaho mbola tia anao Izaho tsy nampirafy anao Izaho ilay nanaja anao Izaho ilay nadefitra taminao Izaho miandry anao foana Izaho ilay mbola saro-piaro aminao Eny na dia efa hadisoako aza izany Izaho mbola vonona hitia anao Eny hatramin'ny farany A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazah/aza
Aza
zazah
Aza sainina mialoha na nofisina akory izay olona hamoha ny fonao matory. Dia aza koa tadiavina izay olona hotiavina, fa, monja, andraso dia ho tonga.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/tsy-misy-mazava
tsy misy mazava
Mikanto
TSY MISY MAZAVA Indrisy! fa tsy misy tsara! azo ambara! Fa alahelo! Mieloelo No re Sy be dia be Tsy misy faly Fa mijaly Mavomavo Tsy mbaravo Hakivina! Fijalina! Aizin-dava Tsy mazava Fa rahovina Ny fifalina No ho tonga Tsy somonga Mba firaisan-tsaina fa tsy taraina Mba ho mirana Azo idirana! Ai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/angamba-fantatrao
angamba fantatrao
Mikanto
ANGAMBA FANTATRAO Angamba fantatrao, Raha mandatsa-dranomaso, Alahelo mifamahofao, Noho ny hakivina sy ankaso; Efa fantatrao fa aoka, Raha toa ka mamelovelo, Dia ny soratra no hamoaka, Ny hakivina sy alahelo, Efa fantatrao angmba, Ilay feo tsy mety tapitra, Ilay mandrovitrany lamba, Ilay alahelo tsy hita fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/ilay
ILAY
mlanto
ILAY!!! Ilay endrikao sarika Manasitrana ny feriko Satria toy ny masoandro mibaliaka Mampatanjaka ny heriko Ilay fitsikinao kely Mamelovelo ny ao am-po Satria tiana bajinina tsy an-tery Mba hiraikitra ao an-doha Ilay fijerinao mangalatra Mampite-hanatona izany Toy ny jiro mitaratra Misy pilina tsy lany Ila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/mba-lazao-azy
MBA LAZAO AZY
Ryana
MBA LAZAO AZY Mba lazao azy... Fa hoe tsy nambara ny doboky ny fo Mangitaka mangina vao 'njay re ny anarany; Tsy angano na tantara fa mahavaky loha Ny manontany tena hoe aiza aho amin’ny tantarany? Mba lazao azy... Fa toa tsy voatsiahy ireo faniriana anaty, Miandry, manantena ny ora mety hihaonana; Ireo nofy s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/mbola-mihodina-ve-ny-tany-
MBOLA MIHODINA VE NY TANY ?
ikaloyna
FIHODINKODINANA nalaina avy tamin'ny tononkalon'i Ny Avana (inspirak'ilay kôf iray izay ety ambany tanàna) Lazaina fa fihodinkodinana no didy mitondra ny tany fiakarana tsisy fidinana ny ambany : ambany hatrany Aketraka ho mora havarina Aroraka ho tonga kanosa raha potraka tsy avela ho tafarina hosena fa olon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarnjat/embona
Embona
yarnjat
Hadalana sa hadisoana ho ahy Ny hametsoventso anao , tamberina tsy nahy Anaty nofinofy , eritreritra am-panahy Ty fo toa manantena fa feno ahiahy Dia mbola ho nofy foana ve sanatria? Ny rediredin'ity foko nanambara ilay fitia Sa tsy natao ho antsika roa ny hiara-tsambatra ho doria Dia velona tsy miara-miana na d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/ry-feoko-7056
Ry feoko
Mbola tsy fantatra
Ry feoko miteny, toa lasa tsy nahy, mijokotra ombieny. toa aingam-panahy,
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/hoy-ianao
HOY IANAO...
Ryana
HOY IANAO… “Hanoratra aho”, hoy ianao, “Angamba rahampitso, raha misy ny fotoana... Fa be ny tian-kambara, efa ela no tsy nihaona…” Dia nino aho, nanantena ary mbola miandry hatrany, Saingy ity ampitsonao toa tsy mba mety lany! “Hiantso aho”, hoy ianao, “Amin’ny faran’ny herinandro, hanontany vaovao, Hoe nanao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/ry-feoko
Ry feoko
Mbola tsy fantatra
Ry feoko miteny, toa lasa tsy nahy, mijokotra ombieny. toa aingam-panahy,
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazah/vavaka-hariva
vavaka hariva
zazah
Tompo ô tahio io malalako io, omeo saina tony hoentiny matory androany alina. Omeo torimaso lalina sy omeo fiadanana ny nofony, ataovy mamy koa ny nofiny... dia bitsiho eo an-tsofiny izay tsy hain'ny vavako ambara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikanto/raha-mbola-mis
raha mbola mis...
Mikanto
RAHA MBOLA MISY... Raha mbola misy fo mitempo, Raha mbola misy fofon'aina, Diatsy maintsy velon-tsento, Sy tsy maintsy mitaraina,... Raha mbola misy feo miteny, Raha mbola koa fanahy, Dia tsy maintsy kivy ombieny, Sy mbola manana ahiahy, Raha mbola hoe mamindra , Raha mbola hoe mandray, Dia manaraka ny rindr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/dada
Dada
Djaw
Ndao, ataoko hoe vahatry ny hazo, Izay mitazona ity farany tsy ho lavo, Izay mamikitra mba hanamafy orina, Izany ka tena andry mampitsangana. Ndao, ataoko hoe vahatry ny hazo, Izay mikolo ny ravin’ity farany tsy halazo, Satria Izy no natao ho mpamatsy, Izay miaro ity vatany tsy ho lany vatsy. Ahoana tokoa raha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasabotsy/ireo-lolo
IREO LOLO
RASABOTSY
IREO LOLO Indro tamin'izay LOLO iray, namangy zaridaina vao maraina, ka namonjy ity felan-draozy tsara paozy. Tsy ratsy velively, tena kanto, mavokely. Koa dia nonina tao nanorim-piainam-baovao, fa mendrika sy kanto 'ty felana milanto. Ilay raozy toy ny anjely, toy ny tsy halazo velively. Iza no tsy haniry ity ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/mety-mbola-hisy-ve
Mety mbola hisy ve?
dadatsima
Mety mbola hisy ve, ny MARAINA hoan'i dago? F' efa alina mitohy, no manarona ty tany, maro ireo no efa maty tsy nahataty ny adim-piainana efa mafy, torabato toa nifafy, ny mpitondra toa variana. miaina anaty fifaliana, misotro toaka,sy mandihy, manan-tsipa ,mankafy, be ny vola nangalarina, tsy nisy gadr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kelifara/amiko
Amiko
Kelifara
AMIKO Amiko ianao dia Raozin’ny saha Miendrika kanto, mandravaka ny ala Mahavelombolo ny fon-jazalahy Toa Raozy dia ka tsy manan-tsahala Amiko ianao dia miavaka indrindra Izay midoroboka an-jaridaina Raozy mahery ka sarotra hafindra Tsy azon’ny tànana volavolaina Amiko mantsy izay nipoiranao Mety ho tendry vo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/ory
ORY
mlanto
ORY Ho anao izay ory lava! Nohon’ ny ota, aretina, olana tsy mety rava Mitomany ianao matetika Sady misento lava, toa mitolefika Ory ianao noho ireo ota Raha mijery ny fiainanao ianao dia toa tota Tsy afa-miarina, tsy afa-miala Na dia miezaka aza, voageja, voabara Ory, satria marary nohon’ ny aretina Efa tany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/iza-
IZA ?
mlanto
IZA ? Iza loatra ianao ? No mandres lav’ izao Iza re? Lazao Fa mampanao ny tsy fanao Iza re, tena iza marina? Fa potika ny fo Sasa-lavo tsy tafarina Miatraika hatrany @ ny loha Iza re, tiako ho fantatra Ilay nahatorovana ny fitia Saha mbola ho ankamantatra Ho mandrakizay doria Iza, tena iza tokoa Fa babo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/niangavy
NIANGAVY
mlanto
… NIANGAVY Jesosy o! hampodio ny foko ho ao Aminao indray Izay fo feno ota, alahelo toloko, te-hanatona Anao te-hiray Mba miangavy re! mba mitalaho fa ohatrany tsy manam-piadanana Satria voafatotra, voageja lav’ izao noho ireo fahalemena ananana Jesosy o! mba jereo ny fitarainako miangavy re mba vonjeo! Fa rats...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/babo
BABO
mlanto
BABO Babo ny fo Resinao tanteraka Tsy afa-miala fa vo Torovana sy reraka Babo, manaiky izay atao Na fo izany na saina Satria ny fitiavana efa resinao Sady nofihininao tsy nozaraina Babo, toa ngaba te-hiala Fa misy zava-mikaly Dia ilay fitiavana toa adala Izay tsy mety ritra na ho lany Babo tena babo Misy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/helo-sa-lanitra
HELO sa LANITRA
mlanto
HAFATRA Ry mpanota izay miliba ao anaty fahotana Izay tsy mijery ankory izay iafarana Fa toa milalao ery fa tsy misaina Hoe : aiza no iafarako rehefa hodi-vovoka ho maina Mba efa nosaininao tokony ve? Fa ny olona dia mantsy mande..! Ny nofony mody amin’ny tany Fa ny fanahiny mifindra any ankoatr’ any Misy toer...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kelifara/aoka-izay
Aoka izay
Kelifara
AOKA IZAY Aza fohazinao akory Ny fitiavako matory Fa mahasoso…tra ahy ! Mbola angatro ihany ireny Na dia mbola tsy niteny Ka sao dia mba vaompa… lahy Dia fianara-haminany Ve no hanaovana an’izany Hisotroako ny …mangidy ? Di nitazona ahy satria kely Ka hodarohanao fively Raha izaho tsy te hi…vidy Ny voasar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/nilaozany
NILAOZANY
mlanto
NILAOZANY Nilaozan’ ilay fitia izay efa tafapetraka Namelany taiketra ka tresaka Nefa raha zohina dia fo mafy aok’ izany Fa dia toa simbany sy potiny ihany Tsy mba nisy fiantrana fa dia lasa tokoa Na dia nierika aza tsy nataony fa niamboho Sady napetrany ireo entam-pitia nohariana Nampiarahin’ny teny hoe : ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kelifara/ry-foko-onony
Ry foko onony
Kelifara
RY FOKO ONONY Onony, onony Aho tsy hieritreritra ‘rony lasana irony ‘zay be betrobetroka Onony ry foko F’andrao dia misoko Raha sendra tsy tanty Fa mametsovetso Lasan-ko azy Mba hanefosefo, Onony fa sao… Handrotika anao Fa raha tena tsy mety Mitady ho tamàna Na efa miely Ka sarotra alàna Aza mihantra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/rivotra
RIVOTRA
mlanto
RIVOTRA Injay mandrevorevo ny tso-drivotra malefaka Mampanidin’ adi-tsaina izay toa efa tafapetraka Sady mampiaina ny ao anaty ho velombelo aok’ izany No mampanembona any an-kafa, any ambadibadik’ any Rivo tsentso, rivo-piainana, saha inona loatra ? Fa rehefa mandalo na miserana mamela atsika mampitroatra Indra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/raozy
RAOZY
mlanto
RAOZY Ilay raozy tsara loko Naniry tao am-poko Tiako loatra sady nolalaiko Satria nandreraka ny saiko Ilay raozy midorehitra Toy ny jiro mirehitra Toa tsy mety loa Fa dia mipetraka ao am-po Ilay raozy izay indrisy tokony Fa toa nohotazan‘ ny hafa ny fony Ny foko anefa efa nikarakara mafy Niari-pahoriana ary...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ho-ravoravo
Ho ravoravo
AMN (Arialy)
Raha ny olona no hiseho ahalala ny ao an-doha hiantsoako vonjeo ka lazaiko hoe misy voa raha izy no hilaza izay tsy misy, hampiady dia hampaginiko ilay vava ary ampiako teny fady raha efa lehibe nefa tsy mba manana safidy dia aleoko mody folaka toy izay miridiridy ka avy eo asiako ilay joko mitsoriaka dia tsy ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasabotsy/hafatra
HAFATRA...
RASABOTSY
HAFATRA... Tao anefitro mangina, dia niainga ny fanahy. Ho an'ireo rehetra tiana, no mapanoratra 'ahy. Koa raha maty aho ralala !? Dia ireto hafatro ireto, no iangaviako anao handala, tadidio ka raiketo. Raha maty aho rankizy, ka handao koa ny tany ; aza miondrika na kivy, atsaharo ny tomany. Koa raha maty...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/ho-anao
HO ANAO
mlanto
HO ANAO Ho anao izay mitomany Fafao ny ranomaso Fa raha mbola tany koa ny tany Tsy maintsy misy ny ankaso Ho anao izay malahelo lava Alaviro ny famoizam-po Fa zava-doza sady mandrava Ny fanahy izany, ary tena mandrava tokoa Ho anao mety kivy foana Tsy nisy andro miratra eo amin’ ny tava Raha jerena ianao dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ala-nenina
Ala-nenina
AMN (Arialy)
Toa nolazainao ho angano ilay foko hoe doria toa nambaranao fa hoe sangy ilay nilaza hoe modia tsy ho ahy irery anie izany, fa hoantsika ihany koa aza lazaina fa hoe mamo raha be talaho ny fo ady kely tsy misy dikany no nanjary andro maro olona tsy fantatro any no naha sarom-piaro resaka etsy sy eroa no hinoana k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/ampy-ahy
AMPY AHY
mlanto
AMPY AHY Ampy ahy ianao raha miteny hoe: tia Ampy na dia in-ndray fa tsy doria Ampy ny fibanjinanao minitra Satria mampikombona ny fery tritra Ampy ahy ny endrikao rehetra Izay efa nitsofoka am-po sy tafatoetra Ampy ny fitiavanao toa takona Izay tsy nilaokan’ ny vava toy ny vakona Ampy ahy ny famihinao kely A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/vahiny-hafahafa
VAHINY HAFAHAFA
mlanto
VAHINY HAFAHAFA Ho avy ianao, tsy hay hoe: Rahoviana? R’ ilay vahiny antsoina hoe: RAFAHAFATESANA na fahoriana Fa raha ho tonga ianao, toa tsy mampandreha mialoha Fa dia indro avy tapoka tokoa …jereo anie Raha mipetraka izahay toy ny miandry Maka ny endrikao indray raha matory mandry Mandeha eny an-dalana toa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/tsarovy
TSAROVY
mlanto
TSAROVY Tsarovy fa misy tsy manadino anao aty Na dia misy sakana aza mibara toy ny vy Dia tsarovy fa misy olona iray izay tena tia Izay tsy tena nizara fitia na taria na taria Raha sendra tsy tianao ny hafa dia tsarovy foana Fa any ambadibadika any misy olona tia tsy babangoana Tsy mba fitiavam-bava fa tena lali...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mlanto/endrika
ENDRIKA
mlanto
ENDRIKA Endri-java-voamboatra satri-banjinina Kanto loatra tiana alaina ho fihinina Ka tsy hivotsotra ao am-po sy an-tsaina Na alina izany, na atoandro na maraina Fa dia endri-javatra tena lafatra Raha zahavina ihany koa dia voakolo fatratra Endrika mampisy fakam-pitia ao anaty Tsy mambotry fo na halany vats...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/toky
Toky
RNofy
Toky Izaho tsy mandrara anao Tsy hitia azy Saingy kosa aza atao vazivazy Ilay fitiavana madio atolony Avy ao am-po mivoaka imolony Fitiavana madio foiny manontolo Tsy zarainy amin' ny hafa ho anao daholo Tsy antendro molotra fa latsaka anaty Tena tiany ianao, tsy toy ny paraky Ny fitiavako azy tsy mba toy ny l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/fitia-anjoanjo
FITIA ANJOANJO
ikaloyna
FITIA ANJOANJO Niantefa taminao ilay antso Nataony an’anjoanjo Dia nifandray tsy tapaka Sy nifankazatra … Fa zary toa fanaony Ny nitafatafa Toa banga ny fiainany Raha tsy mahita anao Tsaroany tamin'izay fa ... nanjary tiany ianao dia mody hoe tsilalao reo vazivazy fanalana azy kanefa tena izy… tsy sahiny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/te-hanidina
te hanidina
ikaloyna
te hanidina ianao handao itony tany hivahiny any ... hitety ny habakabaka hitafa amin'i Volana fa ny eto hoy ianao toa feno ankaso... sy ranomaso... kanefa, raha ho any ianao handao itony tany dia ho iza indray no hitety ny lohasaha sy ny havoana ary rano mikoriana tsy foinao hatrizay ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/indray-mandeha
INDRAY MANDEHA
Fredy Jaofera
INDRAY MANDEHA Indray mandeha ihany no anananao ny reny ka isaory tsy hita lany Sy tiavo eto ombieny. Indray mandeha ihany no anananao ny ray ka hajao fa itony tany manaiky ny amin'izay.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/ataovy-sarisary...-ataovy-hirahira
ATAOVY SARISARY... ATAOVY HIRAHIRA...
ikaloyna
ATAOVY SARISARY... ATAOVY HIRAHIRA... Ataovy sarisary Iarivo malomaloka, ory sy manjombona Toa manambana hikija ty rahona mandrondrona Ataovy hirahira Ny dona fahavaratra, nefa tsy vaky patraka Mandona koa ny fo hanembona ny lasa... Ataovy sarisary Mpanjono very remby Sasatra aoka’izany, ana sy torovana Atao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/mandalo
MANDALO
harylovah
Hanintsana ho maina Ny felana efa kanto Namelana andro vitsy... Hilentika, hisoka Ny tsiky manja kelin' Itsy volana itsy... F'izao no tadidio: Ho avy ny maraina Hamony indray, hilanto Ho hanitra hanerana Ny kanton-jaridaina Ny felany manaitra Hitsimoka any aoriana ... Ny volana nidify Nanao fangalampiery ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/m....-sy-f
M.... sy F....
raozigasy
Toy izao rehefa mihaino resaka ny rindrina M... Izaho leitsy moa taloha, indray mandeha na indroa no iakarany taingenany avy eo dia tsy hitenenany F... Izaho aloha tsy toy izany F'isan'andro izy tamy, mitsikitsiky amiko an-jery izy tena laniko Izy amiko mizara ireo lesoka tsy tsara tsikeran-tenam-bikany i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hay-ve
Hay ve
raozigasy
Hay ve mety tankina ity fanahy ity, rehefa nolalovan'ny tadion'ny fitia hasafononohana tsy hita voambolana no manakana azy, mibahana mitohana Hay ve ka mety very, ny ambiroa indraindray rehefa salovanin'ny fo mangotraka mahamay ka very anaty habaky, ny nofy itambarana ilay tsingevan-teny, be resaka an-daharana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsioritiana/tiko-ianao
Tiko ianao!
Tsioritiana
Tiko enao tena nahasarika ahy.Nanintona ny foko nampisy aingam-panahy.Tiko tena tiko fa fitia ts atakalo.Notoriko taminy fo ato anaty tononkalo.Aza raisinao ho ditra.Ny fitia izay natolotro.Aza avela ipitrapitra.Te-hanoroka ny molotra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/manaova-hono
Manaova hono
raozigasy
Manaova hono « aerobic », dia areno koa ny bika raha tsy izay ireo sela hita mifaritra ho « cellulite » Manaova hono ianao « zumba » sitrany ahay izy io mba le fotsy roan- « domino », mivadika « abdominaux » Manaova hono ianao « jogging » dia mba mahitsy anaty « jean » ilay « culotte de cheval » ka mba hanev...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/rapapany
Rapapany
raozigasy
Tsoahy aloha ny peratra, vao miresaka amiko dia asio « champagne » raha tianao ny halamiko dia ny tsaky « brochette », izaho tsy mila voanjo dia esory aloha ilay tanana, misafosafo ranjo Dia andao hiala eto,ndao hamonjy seza, ataovy ny « commande » atao tavoahangy ngeza dia andraso koa antsoiko, ikala Clemence, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/secret
Secret
raozigasy
izaho leitsy aloha, hatramin'ny avril, aleo aloha hilamina tsy hirevy be intsony, tsy hivoaka firy aloha, fa ato an-trano hijanona aleo aho hanangona « S », dia miainga masiaka, rehefa tonga ny fotoana tsy dia hirobaroba, eny hatramin'ny kaly, aleo ho tsotsotra foana fa ahoana sa misy inona, ho any dago angaha iala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/tia
tia
cedarf
Raha ho foana irony volana ka hanjombona ny alina, Tsy hisy tara-pahazavana mba hitsinjo ito tany, Tsy holefy tahaka izany, tsy ho foana fa ho lalina Ny fitiavany raha toa ny fonao azy hatrany. Raha ho tonga takariva ito dianao sariaka, Tsy hanjombona tsy akory ny fitiavana ao anatiny, Fa ny andro fotsiny ihany n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/ao-anatinao
ao anatinao
ikaloyna
AO ANATINAO Ao anatinao misy fo madio sy tsotra Ao anaty fonao misy raozy novolena Ao anaty raozy misy vony tia mamelana Ao anaty felana misy hanitra lalaina Ao anaty hanitra misy loharano hafa Ao anaty loharano misy hira tsy mba lany Ao anaty hira misy miafina mangina Miafina mangina sady sarotra faritana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/nisy
nisy
cedarf
Nisy teny nolazaina fa nodianao tsy tsaroana, Misy fo ‘zay mbola velona any anatinao kanefa, Nataonao mody tsy hita sa niniana noadinoina, Ireny fo nitianao sy ny fitiavany rehetra? Nisy fo iray tomany tany ho any saingy indrisy! Tsinapanao ny ratrany, sy fantatrao ny aretiny, Kanefa sahinao no nandratra an’azy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/ry-sakaiza
RY SAKAIZA
ikaloyna
RY SAKAIZA Ry sakaiza, aok'izay ny fahakiviana aza dia mijanona eto fa ny lalana hombana mbola lavitra aoka izany sady sarotra, fiakarana atsaharo izany sento fa mbola maro ireo zandry mila anao hitari-dalana ao anatin'ny sampanana atrakao izany loha etsy horaisiko ny tanana ndao isika hifampitantana fa m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/teo-am-patsakana
Teo am-patsakana
raozigasy
Tohin'ny tantaran-dRasiza tamin'ny tononkalo hoe « Avia ianao » Ny ahy akia hoy Rasiza, lazaiko fa tsy mety ilay isaky ny tonga, dia hoe avia vetivety tsy misy izay hoe vonona, na mila na mitady fa tsy maintsy manaiky, adidy hono io fa vady indraindray ianao, efa valalanina mikarakara trano, sy fanonkonan-kanina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsioritiana/ny-fitiavana
Ny fitiavana
Tsioritiana
Tsy sanatria akory sary.Fa indro toetra nanahary.Efa nalahatra ho an-tsika.Ho toy ny andro mibaliaka.Ny fo mitempo anatiko aho.Efa sariny sahady.Ny fo mitempo anatinao.Io no lalana sy vavahady
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ataovy-serieux-
Ataovy « serieux »
raozigasy
Tsy hoe fitia te hanakiana, be fahatany akory fa maro ireo resaka, mampitsangana matory, tsy haiko hoe avy aiza, ny ati-doha nivoahany mampihomehy faratampony, tena raindahiny ilay « telepherique » iny no voalohany, sa ny hahavon'Andohalo, no mahafanina ny lohany tsy aleo ve ny arabe, no totofan-tara dia diovina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raha-hatreto-aloha
Raha hatreto aloha
raozigasy
Raha hatreto aloha, dia olom-baovao ity praiminisitra, nomena ho ahy sy ianao mbola madio « casier » raha resa-politika palitao vaovao, mitondra teknika Raha hatreto aloha, arahina ny onjany sao izy no hamoaka , ny gasy anaty fonjany aza asiana resaka ilay fiteniny vahiny, izay no manavanana azy, ka aza omena ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tao
Tao
raozigasy
« Tao » ny tranon-drazana, tao dadabe sy bebe, no namarana ny fiainany « Tao » ny fianakaviana, dadatoa sy nenitoa, nifampizara ny taintainany « Tao » izahay ankizy, iray tarika sy andiany, no niara-nilalao « Tao » sisa no tsiaro, iarahana mitsiahy, amin'izao anio izao « Tao » ny fialan-tsasatra, sy ny fahazazana, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/andro
ANDRO
ANDRINIAINA1
ANDRO! Mazana heno andavan'andro, Ny teny hoe "handany andro!" Fa maninona "ny andro" no ho laniana: Amin ny zavatra tsy irina?? Maninona ny andronao No laniana amin ny kilalao?? Ka na tsy hitondra soa aza izany; Dia tanterahana eny ihany. Fa na ho afaka aza izay manorisory; Dia tsy hamafa na hanala izay maha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sagngna
Sagnàgna
raozigasy
Soa fa natao hoe : « hatreto ihany aloha » fa namita-tena fa toa ny omaly ihany, raha ny hita hatreto ny zavatra jerena fa vary mangatsiaka, tsy masaky ny omaly sy sisa izay tsy lany no nomena toerana, tsy mifanandrify, nataony hoe mety androany Dia rahampitso ireo, hitsambikina mikimpy, hanangona harena moa ireo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hidihidy
Hidihidy
raozigasy
Androany aho mba hiresaka, ny amiko manokana ilay mampangidihidy ahy, rehefa irery mitokana tsy zakako indraindray, fa mahery ao anatiko mampiakatra hafanana, ka mila tsy ho tantiko Mafy kay leireitsy ilay mangidihidy, kitihiny daholo, na saina na tadidy ampirongatiny ao , ireo hevi-mifanolana mana-maina tenda, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ombinny-arivolahy
Ombin'ny arivolahy
raozigasy
Malagasy ianao izao vao Kristiana ka ireo ombin'Iarivo, aleo kely eo hijanona sa tianao mihitsy soloina vokovoko dia ny tokontaniny, ovaina fotsy loko ? Malagasy ianao, izay vao Kristiana ilay resaka Finoana, aleo aloha hilamina ianao ange Filoha, napetraka ho Laika ary ny toeranao, seza Politika Malagasy ianao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harifidy/voninkazo-tsisy-tsiny
VONINKAZO TSISY TSINY
Harifidy
VONINKAZO TSISY TSINY Voninkazo tsisy tsiny Apetrako eny an-tratranao Raha tsy ho tsiniko, azafady ! Fa eny an-tratranao no tiany Hamosahana ny fony Raha ny tiany ka tsy fady ! Fony mbola irery mantsy Dia nangina ny fitiavako Ahy irery tsy nizara ! Dia iny voninkazo iny Tonga koa, te hivahiny Hamoha ny tsik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/fiainana-hafa
FIAINANA HAFA.
ANDRINIAINA1
FIAINANA HAFA. Maro mpaniry ny zavatra tsara; Nefa ny zavatra rehetra manana anjara. Tsy nisy naniry ny hahazo ny ratsy: Fa rehefa sendra ny tokoa de voatery mihafy. Izay mivarilavo no adala indrindra; Fa ezahana arenina ary koa arindra: Ny fiainana iainana isan'andro. Mba hibaliaka mazava ho feno masoandro. A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/lojika-ve
Lojika ve
raozigasy
Lojika ve sa izay no fenitra, fifidianana minisitra milahatra misehoseho, mba ho tafiditra an-disitra toy ny mitady asa, ka manamboatra diplaoma dia milaza ho zanak'i …. raha toa ka tsy dia nahoana Lojika ve sa izay no fomba, fifidianana minisitra manao « CV » matavy be, amin'izay mba tsy ho gisitra hoe efa mpano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/saintsaino
SAINTSAINO
ANDRINIAINA1
SAINTSAINO! Maro mpitia hono ianao fa bikaina; kanefa izao no tsarovy ary ataovy ao an-tsaina fa tsy misy natao haharitra mandrakizay fa mandalo avokoa, miserana: de izay. Ny hatanorana, ny hatsaram-bika soa: dia natao handalo miserana; avokoa. Tsy misy vaovao natao tsy ho tonta, ary tsy misy nohariana tsy ho m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/omeo-lesona
Omeo lesona
raozigasy
Tononkalo nangatahan'ilay namana iray ao amin'ny vondrona Tononkalo Malagasy. Bonaika loatra hono izy ka mba mila fanampiana. Ataontsika hoe Andriamatoa G. no anarany Izaho tsy saro-piaro, fa tsy tiako fotsiny, ilay namanao fahiny iresahanao lava, hitsiahivanao ny lasa, efa ho adiny dimy dia eo moa ianareo mifamoha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/taratra-hazavana
Taratra hazavana
MBL
Ny endrikao mamiratra, dia taratra hazavana Toy ny andro mihiratra, arahina hafanana Taratra hazavana, fa satria nahoana? Toa tsy mahatamana, rehefa tsisy anao Ilay foko babangona. Miverina ato an-tsaiko,mihodina ato an-doha Tsy mivoana fa dia ao Mandamina ny saiko, tsiriritin'ity foko Ilay anaranao Ny anarana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/mandalo-ihany-nadika-avy-taminny-a-passe-charles-aznavour
MANDALO IHANY
Ryana
MANDALO IHANY Mandalo ihany... Ny ratra sy ny fery entin’ity fahoriana , Mandalo ihany... Ny foko mitomany, nofinitaky ny tiana, Hanadino ihany Ilay nanadala fanahy, Tsy nahitàna tory; Nilaza fa hoe ahy Hay tsy niraika akory... Mandalo ihany... Mbola avy ny ora tsy maintsy handrosoko Na eo aza ny tahotra; ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/alikaola
Alikaola
raozigasy
Mahafinaritra ahy, ity alikaola ity ahitako « inspiraka » sady ahazahoako fy izaho ilay tsy misotro, tena hitako ny fafiny mijery sy mandinika, ny vokatra sy gafiny misy sipa tsy haiko mihitsy hatramin'izay kanefa vao mahazo « coupe » anankiray dia miresaka tsy mihafa, ary mitantara ireo miafina any an-tranony, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/mahaiza-manadino
Mahaiza manadino
Nofy2
Efa nanadino ve ilay notiavinao? Ka mamoy fo @ zavatra atao? Izao no tsarovy miletinka ao an-doha Fitia an-katerena tsy mitondra soa Tsy diso akory ianao raha mitia azy Ny azy koa misy antony raha mandao anao Manana hambom-po aza mandadilady Na miangavingavy rehefa tsy tia ialao Tsy izy irery akory no olona eto...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ainga-an-tsotra
Ainga an-tsotra
raozigasy
Ridiridy maso, mijery valin-drihana, am-pisasahan'alina rediredy anaty, hiaka anaty gina, tapahin-tsento lalina, tanisanisa-nofy, mibora-tsy voafehy, an-drofy tsy voarefy vetsom-pahanginana, manitanita-dia, te hihoatra ny fefy adin-tsain'embona, visavisan'ambiroa, sisa-kajim-binany loadoatran-tsiahy, harongaron-da...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ianao-io-izao-haiko
Ianao io izao haiko
raozigasy
Ianao io izao haiko, fa ao anatinao, misy kaikitra indraindray tsy nenina akory, fa raha hoe afaka nifidy fiainana hafa iray na afaka namerina, na hoe afaka nanova, hanolo izay miseho dia ianao no voalohany, hamafa sy hanitsy ireo rehetra ireo Ianao io izao haiko, fa ao anatinao, misy tadidy iray, misalovana matet...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/niova-ilay-fitia
Niova ilay fitia
MBL
Vao niova nangatsiaka Ilay fitiavantsika Dia tsy nahatamana Fa nilaozana hafanäna Ilay endrika sariaka Saika tsy hita maso Niserana dia lasa Ilay volana baliaka Mba nifandraisantsika Toa niova ho ranomaso Ireo tantaranay Tsy ho voatanisa Ary izaho tsy amisavisa Fa veloma ihany sisa Koa veloma rahatrizay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/indray-nisasakalina
indray nisasakalina
cedarf
Indray nisasakalina, aizina nangina, Tsy aizina ampitahotra amin’ny feony toloko, Fa alin-drotsirotsy nanembonako ny tiana, Niventesako ilay hira mbola mamin’ito foko. Indray nisasakalina aho, nahatsiaro ny efa vita, Nitamberina daholo ny lasana kanefa, Indray nisasakalina iny indrindra aho no nikiaka, Nitady an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miandry-berantoson/tonom-bavaka
TONOM-BAVAKA
Mi'andry Berantoson
TONOM-BAVAKA Tiako Tompo ny andro izay nomenao ahy Tiako ka ataoko tsy misy mampanahy Na be aza ny ady atrehina matetika eo amin'ny fiainana Dia Ianao tsy mandao fa eo foana izarana fitarainana Misaotra fa mahafinaritra ahy ny tontolo androko androany Misaotra noho ny soa izay narotsakao tsy mety lany Na be aza ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.epsilon/natao-ho-aniza-moa-ianao
Natao ho an'iza moa ianao???
r.epsilon
Natao ho an’iza moa ianao ry voninkazo kely tsara Izay mivelatra maraina? Natao ho an’iza mba lazao, fa mba manana hambara ‘Ty mpamboatra zaridaina! ‘Zato hakantonao madera sy ny hanitra miraraka Manintona mpijery…. Mba hataoko teny miera sao mba mety hifanaraka Ami-vaziko ho ahy irery? Efa tazako any ho any i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/ilaimena-sy-ilaivoamba
Ilaimena sy Ilaivoamba
Johanesa Rakotovao, mpitandrina
"Ny mahery tsy maody tsy mba ela velona" Naneno maraina Ilaimena fa noana. Nanao "kolokolo !" nilaza fotoana ! Nifoha Rampiasa, nilanja fangady, Fa : "hay, hono, ny andro maraina sahady?" Fa nony nangirana tao ny masoandro, Ka niainga hantsaka ny boto mpahandro, Dia lasa vinohany koa ny fisoko. Nivoaka Ilaimena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/hifamaly
Hifamaly ve
AMN (Arialy)
Fa ianao no nilaza fa hangina aho tsy hiteny nefa ilay akamanao mimenona ombieny tsy niheno aho omaly nefa kosa anio hiova efa tsy ekeko intsony ilay milaza, hiantso loza mivatravatra lava izao tsy mba misy fitsaharana dia mihevi-dava izao fa izy no hoe loha-laharana ka ho ekeko tsotra izao izay ataony sy lazainy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fahanginana
Fahanginana
raozigasy
Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe Fahanginana tsy tsitsy rora na faroratra fa karajian'ny vinany tsy mbola te hamonto tany ny fahanginan'ny poeta tsy hoe kahidy an-talenta fa fandaminana mampiontana ireo setran-betso mikorontana ny fahanginana ao anatiny tsy hoe feno ilay poakatiny fa mandrira rima mba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/nanjary-tiako
NANJARY TIAKO
Ryana
NANJARY TIAKO Tatarasy vitsivitsy no nifandefasana Dia babo, rendrika aho; Fotoana kely fohy no hany niresahana Dia very remby aho… Ny feonao manako, misangy nefa matotra, Manako ato an-tsofiko Ny sarinao sariaka mitsiky toa tsy rototra, Manemitra ny nofiko... Tsy fantatro mazava izay tadiavinao, Sy izay hoe ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/regime
Regime
raozigasy
tsy haiko na lamaody, na tarazom-pandrosoana tsy haiko na tsy tia, na resaka finoana tsy haiko na hoe henatra, na izy no tsy noana fa izy lasa miaingitra, ny hanina rosoana tsy haiko na fitia, mba te hamaky teny tsy haiko hoe tsy matoky, ireny kajy ireny tsy haiko hoe maninona no vakiana elabe ireo soratra mipet...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/sarotra
Sarotra
Nofy2
Tsy mora ny tia ny mitory fitiavana Ny hilaza hanambara ny tena ao am-po Fa loza tsy tanty raha toa ka fandavana No setriny izany,maratra ny fo Milanja ny tiavina koa tena sarotra Raha toa ka ilay tia misisika foana Efa ilazana”tsia”mbola miady varotra Tsy mety leo,tsy hita atao ahoana Tsy mora tsy akory ny man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/lambo-sy-vitsika
Lambo sy vitsika
Johanesa Rakotovao, mpitandrina
"Hanao ahoana ianao ? izy efa main' ny afo natsangany !" Aza ketrina, mitady voina ! Ity tantara ity, ange, henoina : Tao amoron' ala, ndray hariva, Tamin' ny harongana ivaiva : Nisy tranom-biby - vitsikambo ! Ary raha nandalo teo ny lambo, Dia nahita : faly, nanantena, Toy ny saka manimbolo hena ! Ravo koa ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/ataoko-fantany
ataoko fantany
cedarf
Ataoko mafy hamakivaky ny sain’ny tsy mihantra, Ny soratro, mirakotra teny tsara ho fantatra, Sao mba hiova ‘zato fony ka hitsinjo ny mahantra, Hiteraka fitiavana toy ny oram-pahavaratra. Ataoko hofantatr’olona mpiavona f’izao: Ny lalana nodiavin’ny mahantra ireny anie, Ka lalana tsy mora, f’izao tontolo izao, N...