url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/satriko
satriko
cedarf
mba satriko indrindra aho ho kintana irony mamiratra fatratra sy mahasondriana ny maso mijery azy tsy mahatony ny fony fa eo izy dia mba variana mba satriko indrindra aho raha volamazava hamiratra foana maneran'ny tany hitondra hazavana hahamirana lava ny fo malahelo sy saro-tomany mba satriko indrindra raha 'z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hamonjy-fasana
Hamonjy fasana
raozigasy
Ny faty no alahelovana, fa mandratra mahatorovana ka omena voninkazo, sy arahim-pahatsiarovana Fa ianao raha handeha, tsy arahiko alahelo vao maika aza alaviriko, toy ny angatra sy avelo Ny faty no itomaniana, fa mafy ilay misaraka omen-teny mampahery, sy lambamena hanaraka Fa ianao raha hiala, tsy hanaovako anga...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ny-rongoniko
Ny rongoniko
raozigasy
Ny rongoniko, ny toakako, ny jangako, ny lokako nanontanianareo , ka indro re avoakako raha toa saro-takarina, aleo re ho ahy irery fa izay no mba tontoloko, raha mankany ianao dia very ilay vovo-toto-potsin'ny alin-tsy nandriana ilay boza-dafika kidoro, izay tsy natoriana ilay tsindrona fanala, takim-bolin-tongo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thina/ritra-fitia
RITRA FITIA
THINA
RITRA FITIA Marary ho azy ny foko Ataoko ahoana re Ny fambara aminy Izay rehetra any an-tsaiko Tsy leo azy aho Tsy mankahala koa Fa tsy tsapako mahamay Ny any anatiko any Rehefa hitako izy Toa safidiko ny hangina Ny topimasoko aza Tereko mba hitsiky Ka tsy afaka ho aiza Ny foko efa voafatony Dia mionona ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haryssata/sava-ranonando
Sava-ranon'ando
HarysSata
Mamangy sy maniry Hatsaràna voatahiry Ho anao ny tenako Faly aho ny handika Mba hifandraisan-tsika Ny vetsovets-poko Mba raiso ka vakio Izay hatolotro anio Dia ny SORA-TANAKO.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-takatry-ny-bala
Tsy takatry ny bala
raozigasy
Ilay mangan-danitra , no solon-taratasiko hanoratako ho anao, ilay fitia midadasiko ireo rahom-potsiny ; no solon-dranon-teny hiangaviako anao,hanao ny foko hoe « ENY » Ity habaky ny tany, tsy hita noanoa kely raha mitaha, amin'ny fandeven'ny fo mireda ho anao, an-joalan'ny fitia hibaradahako hoe : « TIAKO LOATR...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/ny-faranny-fanantenako
ny faran'ny fanantenako
cedarf
Toa lainga izay sahy manambara fa misy fitia falifaly Kanefa ny fony toa sasatra misento ka diso mijaly, Sa manafina ny ady mahamay ka mitady handresy tomany, Dia mionona fotsiny foana fa hoe ‘zany ny fomban’ny tany? sa mihevitra ianao fa ny taona dia hitsinjo ny sainao sahirana? Kanefa ny lalanao sarotra, ka noez...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/ilay-poety-nanadino
ILAY POETY NANADINO
dadatsima
Tena tsy nampino ilay poety nanadino, aiza re ka dia tsy heno ilay feo nanenoneno niventy ilay vetso tsy haiko intsony na maneso, asa, mety nisy kosa angamba mbola tena mihambahamba, tsy manome ny tena izy mamilivily toa ankizy, tsy nahafahany nitroatra, ka voatery izy hangina, tsy mba afaka namboatra, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zana-javatra/indrisy
Indrisy...
zana-javatra
indrisy natao ho malala nankaiza lay nantenainao ry foko nisidina va sa niova loko? nofinofy toa tsy mampino... indrisy natao haharitra nankaiza lay niankinanao ry foko nisidina va sa leon' ny toloko? nofinofy toa tsy mampino... indrisy natao ho doria nankaiza lay notiavinao ry foko nisidina va sa leon-drotor...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izy-io-ange
Izy io ange
raozigasy
Izy io ange Razoky, tsy bokotra tsindriana ka hoe vao miteny ianao, dia hirotsaka ny rima fa mila raha iainana, mila vetso ranga izay vao mivadika, ho soratra ilay tranga Izy io ange ry Zandry, tsy hoe vavahady vohaina ka ao ambadika ao, ireo tononkalo ilaina fa mila raha mandona, mila vinany masaka izay vao mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/diary-ko/aro
Aro
Diary-ko
Atokako mangina ao anatiko ao, 'lay foko mahatsapa fitia latsa-paka Atokako mangina, atokako ho anao 'lay foko mahatsiaro fitiavana ry Aro Atokako ho anao satria izaho mahalala f'izaho sy ianao sahala, samy misy fo te hiara-dia indrindra fa.... misy fitiavana te hifangia tsy ho faty sanatria Fa ao anati-tsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ny-sezanao-tsy-maintsy-ok
Ny sezanao tsy maintsy OK
raozigasy
raha natao ny kaonty mantsy, ny azy mbola be ny « j'aime » raha atao ny fampitaha, amin'ireo depioté izy mety handresy an'isa, raha an-kajy eto amin'ny FB Dia hatsangany ho minisitra, « conseiller » sy SG ireo akama rehetrarehetra, mizara sy mi- « partager » na mahay na tsy mahay, rehefa hita hoe mi « tague » dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.epsilon/aiza-moa-no-tsy
Aiza moa no tsy……
r.epsilon
Zipo tery efa manify Mbola he ny doladolany! Izy efa mitampify…… Aiza moa no tsy haolany!!! Kibonao malandilandy Aderadera mba ho hitany! Izy anefa mbola bandy….. Aiza moa no tsy ho vitany!!! Lobaka efa tsy ampy bokotra! Hampiseho ny aronono! Izy efa misomokotra….. Aiza moa no tsy ho voajono!!! Biby efa tsa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/lavitra-savoana
Lavitra savoana
raozigasy
Nandravahana ny hosodokon'i Hantanirina Oliva Rajoharison Narotsakao miandalana, ilay tafy fotsifotsy, sisa tampifin-drakotr'ity hodi-ngalingaly ianao miomankomana, hamonjy rotsirotsy, dia manala kavina, somebika sy faly miandry ny fotoana , ianao tsy miraika, sady mijery bika, mandamindamin-tao tsy rototra mih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfantomas/misy-koa
Misy koa
alfantomas
misy trano ravarava efa ntaolo dia ntaolo tsara fiorina aok'izany eo an-tehezan-kavoana nilaozan'olona nifindra nefa angamba no haolo dia haolo tsy andrenesam-peo indrisy mangina sady foana misy fitia ravarava sy diso fanantenana koa tsara fiorina sy famelana aok' izany tany anaty nilaozan' ny tiany nefa angamba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.epsilon/bitsiky-ny-fo
Bitsiky ny fo....
r.epsilon
Deraiko ialahy ry fo, mba manana finiavana, Hamantatra ny soa, ny tsara hiantsapazana! Miezaka manandrana hanakatra ny "mena" Na hita fa tsy randrana manendrika ny tena! Melohiko indray, anefa.... toa hita, tsy azo lavina: Fa : "Fo mirefarefa", mpanao kihevi-dravina! Vorona eny an-danitra mifaly sy mihira, Fofon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/diary-ko/neniko
NENIKO
Diary-ko
Fa naleoko ihany tsy nahalala anao raha toy izao no niafarany 'lay endrikao tsy afaka ao an-tsaiko ao indraindray mahasolafaka Fa naleoko aza nangarika tsy fidiny na dia nahita anao nambabo, nahasarika Fa naleoko tsotra niharitra ny ngidiny tsy namboraka fitiavana Raha nampoiziko aza dieny ianao nilaza na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-ilay-raozy-akory-no-hoe-saro-piaro
Tsy ilay raozy akory no hoe saro-piaro
raozigasy
Ho setrin'ny tononkalon'i Solofomanjato hoe : « saro-piaro akia ilay raozy » Tsy ilay raozy akory no hoe saro-piaro fa intsony izy , tsy navahanao, fa natambatrao tanaty fangaro dia izay no tsy tiany, satria tsy niriny, ilay izy hitovy amin'ny besinimaro Tsy ilay raozy akory no hoe saro-piaro fa ianao ilay ninia t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/iombonako
Iombonako
raozigasy
Ho setrin'ny fehezan-tenin'i R. Mavo Vahatry Ny Aina "Toa very avokoa ny maha Gasy fahiny, tsy nisy nandova ireto taranaka raha ny fiainana ankehitriny, dia azo lazaina fa MBOLA VOAZANAKA ! " Iombonako iombonako aminao tanteraka izany fehezan-teny izany zava-misy mantsy ny anao, fa tsy hafatry ny mpaminany tsy te...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/avia
Avia
raozigasy
Raha sanatria mitady ho rendrika an-dranobe ny sambonao Dia antsao mora am-bitsi-teny, izao tononkalo fohy izao Avia ianao ry namako, hisintona ny tanako fa mitady handifotra ahy ity ranon’ahiahy Avia ianao ry poetako Hanala ny hetahetako Fa mangetana an-dakana Ny saiko feno sakana Avia ianao ry tsy haiko Hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.epsilon/ilay-mpandalo-maizimbolana
Ilay mpandalo maizimbolana!!!
r.epsilon
Nampisosa moramora ny minitra sy ny ora ity masoandro ndeha hiletika F’indro mbetika…. Toa rifatra tsy tana, nefa toa mihanahana ao an-tsefatsefan-drahona… Injany indray andian-tsahona…. Niventy ilay antsiva, nanambara takariva : Dia ‘lay feo famantarana,Fialana hasasarana!!!! F’efa tsy ho ela intsony dia ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.epsilon/i-volana
I VOLANA
r.epsilon
Fa nankaiza I Volana ry tsinam-pahavaratra? No raho-mainty lava no mosarena taratra? Tsy maina akory ve ny ravina nihinanana, Dia indro ianao nidify nikopakopa-tanana? Mangirifiry ihany ‘lay embona voakaikitra! Kanefa moa adala, tsipolotra niraikitra, Nihirahira foana ho an’olona nandalo, Kinanjo nidifi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iavotra-ramanampamonjy/toy-ireny
TOY IRENY...
Iavotra RAMANAMPAMONJY
TOY IRENY.... raha hita sy tsapa fa efa tsY anjara tsy haninA akory fa hahay hizaka ny trondro matory eny antanan'ny saka tsy ho azo samborina hanala baraka ra raozy maro tsilo handratra ny tava no heverina ho haingo hatao saro-tava hanahirana ihany no hivazavaza raha tojo marary efa tsy tia kotaba dia toy z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/zay-no-tena-ady-gasy
ZAY NO TENA ADY GASY
dadatsima
Andraso indray kely aloha hilaza anao ny momba an'io. fa be ny resaka mandeha fa ahoana ihany mba ahitsio fa be zao mirehareha fa tena raitra be totkoa, ny politika nolazaina dia efa fantatrao marobe no mitaraina ny olon-tsotra amin'izao.... manapotika ny hafa raha misy mba mitafa izay mba zavatra vita ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iavotra-ramanampamonjy/dimy-ihany
DIMY ihany
Iavotra RAMANAMPAMONJY
DIMY ihany Dimy ihany ny litera tiany fony ho soratana fa sao ho diso be tsikera reo mpiventy tonon-kafatra dimy fotsiny efa ampy tsy ilaina antoko amboniny dia hinoany hiantsampy aminao ny ngoningoniny ao am-po fa fitia litera dimy ny hoe tiako dimy koa izany ngamba tsisy tsiny ra hivoaka avy ao am-po h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iavotra-ramanampamonjy/fitsiriritra
FITSIRIRITRA
Iavotra RAMANAMPAMONJY
FITSIRIRITRA Ny fitopanao niserana nanaloka ny masoandroko iny mitataovovona efa drodrok'hasasarana ny hafanana tsy noferana novelarinao tsy miato ho zary rivo-pahafahana hiangolan'ny vetsovetso ny hariva efa hadiva hody alina no antsa zary sento lalina tanaty f'ireny mantsy.... tsy mba tsihy no vinelatra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izaho-manimanina
Izaho manimanina
raozigasy
Ho setrin'ny hafatr'i Dafy Noely , sy hafatra fohy omena azy kely «  aza jerena ary aza tomorina, hono ilay varavarankely sao tsy zakanao ilay sinto-mahery ri'ngahy Dafy Noely » Izaho manimanina Misy dindo mandondona, mandondona sy manao haody manaitra, manetoka, ny anaty lalina an-kaodikaody Misy tsiaro, tsy res...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.epsilon/izaho-ve
izaho ve?
r.epsilon
Ilay voahitsaka,nifitsaka,tsy fantatrao akory.... Ilay taraina,tsy nisaina ho tolokon'olon'ory... Ilay niaritra,naharitra,nilofo tamin'ny androny.... Ka nihafy mba hitafy izay ho anjara masoandrony.... Nifanena ihany isika,na tsy fantatrao fahiny; Fa ny endrika amam-bika, tsy mba tsinjo raha tahiny: "Rovi-damba v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/fihainoana-tantara
Fihainoana tantara
MBL
Tonga ny harivan'ny fianakaviana. Amin'ny fito ora de efa mangina. Ny po efa ao,ny trano efa idiana. Ny ankizy rehetra eny ambony fandriana. Mangina daholo,mipetraka tsara. Fa efa anomboka izao ny tantara. Nihaino ka nihaino teo @ radio. Ny tantara hôreran'ny DON BOSCO Faty mitsangana no lohateny. Misy matahot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/tsy-misy-hazavana
Tsy misy hazavana
MBL
Fahantrana ihany ve No hiainako ety Sa mba misy hakony ihany? Satria toa manjavozavo Ilay ezaka omaly Ka zary ampitomany Ny marina nafenina Tsy fantatro intsony Nefa tsisy nandroretra Hany heriko ny boky Hohadikako ao daholo Ny androko rehetra Dia iza indray izao No androvitra izany Any aoriana any Toa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/fety-be
Fety Be
MBL
Indray andro hono nisy korana Teto an-tanana, Niforona teo ny dihy sy lamako Ka de fahagagana Nandihy ny zatovo tamin'ny regaé Ka tena tamana Tampoka teo koa toa nisy bebe Nandihy fa tsy tana Nihira Jaojaoby,ka tena nihira Nasiana kabôsy Taorian'izay koa ny aoiraoira Ilay revin'i Raosy Fety dia fety nafana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilefy-goods/hafatra
Hafatra....
Tsilefy (Good's)
Ry olona tia kanefa tsy tiana o! hafarako ianao ny fitiavana hono sara-jadiana, safidy ny atao ka lefero alo raha toa ka tsy toha ny faniriana no kasainao fa any andro iray ahitanao fifaliana ho setrein'izao Ry olon'ny fo mpanao valifaty o! izao indrindra koa raha misy fitia tsy latsaka anaty, onony ny fo raha se...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilefy-goods/ny-tononkalonao
Ny tononkalonao
Tsilefy (Good's)
Ny tononkalonao mampanotany tena fa mo kisendrasendra sa zavatra nomanina sy kajy tsara lamina Ny tononkalonao fa dia nahoana loatra no mody tsara voatra fa ny ao anatiny ao mandatsa tsotra izao, manindrona ny saiko fa ny hevitro rehtra tanaty foko tao dia no soratanao. Ny tononkalonao mampiondrika ny loha m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ianina-rabenatoandro/tiako-ve-ianao
Tiako ve ianao?
Ianina RABE
Ny volonao mainty toy ny alina Ny masonao mibaliaka toa masoandro Ny tsikinao toy ny volana isak’alina Ianao mamirapiratra isan’andro Ilay bika sy hatsarana Dia tena hanananao Ny foko tsy voatana Fa manenjika anao Sarotra no milaza Fa tsy tiako ianao Tsy aiko ny toy ny zaza Ka mitsotra aminao Aleo ho ahy ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/okay
Okay
raozigasy
Noho ianareo anio dia ampiasaiko ny voanio fa tena faly aho tretrika f'isika izany hiketrika Noho ianareo androany dia masahiko izany ireo vary mangatsiaka ka ampiasaiko « fika » Noho ianareo tsy nilefa nandray izay traik'efa dia iny aho fa ranga hameno indray ny banga Noho ianareo natoky f'izaho ka tsy bo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/tena-tia
Tena tia
MBL
Tsarovy ilay nitia anao izay nanakim_po Tamin'ny olon-tiany hafa,, Tsarovy f'izy tsy nandao fa mbola niova fo Ka niverina nitafa,, Fa dia nahoana hoy ianao,tia anao va izy Dia anao anao toy ireny?, Raha hovalianao izany,dia tsarovy ny fitia Fa mifono mistery,, Tsy animba anao akory no hany faniriany Fa aza mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/ny-hoe-mifankatia
NY HOE MIFANKATIA
harylovah
Ny hoe mifankatia: Miombon-tarigetra ao anaty fitambarana Miara-droa mamindra, tsy miady filaharana Miara-mifamatotra, miray am-pahasambarana Mifankafia fitiavana, iriana tsy hifarana Ny hoe mifankatia: Mifampahery am-po rehefa tojo fahakiviana Mizara lalandava teny mamy am-pitsikiana Mifanopy maso dia midera n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nandrezatra-fitia
Nandrezatra fitia
raozigasy
Ilay sarita-bolony iny, tsy diso hogo iny akory Na nasaritaky ny alina, nasavoritaky ny tory Fa tojo ridan’ny fitia, sy tadion-drotoroto Ka tonga dia rava lamina, sy ratsy bango nisafoto Ilay halali-masony iny, tsy vokatry ny ari-tory Na sendra adin-tsaina lalina, na tarazon-tsorisory Fa lanaky ny sitra-po, valak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/fitiavana
FITIAVANA
ANDRINIAINA1
"Andriamanitra Fitiavana." Fitiavana no anarany. Izay miady tsy mba namany. Izay mitambatra no mahery. Izay misaraka dia very. Izy ilay manova ny zavatra rehetra; Izy ilay tsy voafetra; Izy ilay mampifandray; Izy ilay maharitra mandrakizay. Fitiavana no iantsoana azy. Tsy mba namany izay miady. Tsy misy nata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ilay-voaly
Ilay voaly
raozigasy
Ho setrin'ny tononkalon'i Genilah Sitraka : « Fetinao ry soratra » Ilay voaly fotsim-pejy, lavi-tsinin'ny tontolo no nosangiako an-teniteny, tamin'ny peniko bontolo ka nandrariana teny kanto, ho ravaky ny tokontaniny tsy nolotoina sanatria, ilay fotsifotsy mbola maminy Ilay alina niraisana, tam-pitambarana ambiroa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/roa-arivo
ROA ARIVO
raozigasy
Roa arivo ianareo, raha isa no lazaina, no hita maka fy ny sangan-tsora-tsaina manaraka akaiky, ireo ambiroa mihoatra ka dia velon-tsaotra, ity foko faly loatra roa arivo ianareo, no nanjohy tsy niato, ireo voatran'ny sento, sy ainga voarato mamelona, mandravaka, ny rindrin'ny tontoloko dia saotra no atolotro, h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/taratasy-ihany
Taratasy ihany
raozigasy
na hivadika hatanjaka ny teknolojia, handroso ny hai-tao izao ry poeta, no teny sy mba hafatra zaraiko aminao an-taratasy ihany, tehirizina ny teny sy ny sora-tanana fa iny no mandafo, ny hasarobidin'ilay ainga tsy notanana na ho varatra sy henjana, ny fitaovam-pitahiry, hanaraka lamaody iny fitaovana iny, hiova i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izy/tsy-avelako
TSY AVELAKO
IZY
Tsy avelako mandalo Ireo minitra maro Niarahana nigoka ! Tsy ataoko ho very maina Ny tsantan'ny maraina Niarahana nifoka ! Tsy avelako hiserana Ilay tsiky fanaperana Rehefa ianao no boka ! Tsy ataontsika ho tantara Izay efa voazinara Ka hanjary ahasodoka !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/satria-tiako-ianao
Satria Tiako ianao
MBL
Ny andro sy alina miheritreritra Ny anambitamby ny fonao ho tony Atao daholo izay mety rehetra Hatramin'ny nanisa ny kintana ambony Efa nanisa ny kintana aho Toy ny isan'izany no itiavako anao Andraindraiko,fa tsy Indraindraiko Eny fa hafoiko hatramin'ny aiko Raha ilaina izany de ity no tsarovy Ny foko efa tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ianina-rabenatoandro/tiako-foana-e
Tiako foana e
Ianina RABE
Efa vasoky ny andro Maina ny masoandro Eny na dia malazo efa reraka Na dia vizana tanteraka Dia hamafisiko eto hatrany Fa mbola tiako foana ihany Lany mamy izy izao Tsy misy tsirony intsony Eny na ny volonao Miongotra ambany ambony Fa tsy hampiova ny ato am-poko Mbola vetsoko sy kaloiko Tsy mamokatra intso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilefy-goods/tsy-ampy-ahalaza
Tsy ampy ahalaza
Tsilefy (Good's)
Raha ny raozy maro loko sy ny pika sesehena tsy mahalaza ny ato am-poko maniry ahazo fanekena Ny volana sy ny taona ny andro sy ny ora aza mbola heveriko foana fa tsy ampy ahalaza F'ireny rehetra ireny angoniko ao anaty amboara feheziko ho an-dalan-teny ezahiko hazava tsara Ianao no faniriko anilanao no no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/ny-lasa
NY LASA
ikaloyna
NY LASA Midona, midona zany kotrok’hariva Mangotika anaty ty fo adaladala Ka sento tsy tana iva dia iva No setrin’ny dobony manao ranolava Mahery setra sy tia vatravatra Ny riaka mahery ery an-kavoana Mipaoka tsy an-kiera, manokatra ratra Ny maitso rehetra zary misaona Mikija mazàna fa mbola ho tony Ny patrap...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/fitiavanandriamanitra
FITIAVAN'ANDRIAMANITRA
ANDRINIAINA1
"Fitiavan'Andriamanitra!" Fitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao. No nanirahany ny zanany mba ho ahy sy ho anao. Nahafoizan ny ainy na de tsy nanan-tsiny. Mba hamelona antsika ilay olon-tiany. Fitiavan'Andriamanitra an 'izao tontolo izao. No namindrany fo ho ahy sy ho anao. Namelany ny heloka vitantsika hat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfantomas/ry-fanadinoana....-nahoana
Ry fanadinoana.... nahoana?
alfantomas
RY FANADINOANA nahoana ry fanadinoana raha mipetraka fa tsy levona koa na nivalona nanaraka taona fa mifikitraka mafy ao am-po? nahoana? nahoana valio? nahoana ity sakaiza no ampijaliana? nahoana no dia hatramin' ny anio nahoana no dia tsy ahitam-pifaliana? sa ve izao no efa voalahatra? fa rava sahady ny anay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tpt
TPT
raozigasy
TPT, LOL , MDR izany izao no feno an-tontolon-tsera rehefa misy zavatra mampihomehy dia efa samy “kopy” ny daholobe TPT hono “TaPa-Tsinay” raha vao misy resaka mivoana iray dia ampiana kely ny “hahaha” dia latsaka daholo na vavy io na lahy MDR indray “Mort De Rire” raha vao misy resaka mamalan-kira hita teny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfantomas/anio
Anio
alfantomas
Omaly.... nisy raho-nitatao embona ny lasa nisy alahelo mafy saika tsy voafafa nisy koa ranomaso nanenika ny tavako nisy tena nisy, tsiaro ny fitiavako Omaly tokoa, raha tadidinao nitsingerina indray 'lay taona asa raha kosa mbola velona ao 'lay fitia, na efa matin' ny fotoana Izany ny omaly, fa ny anio kosa....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nakimpiko-ny-masoko
Nakimpiko ny masoko
raozigasy
Nakimpiko ny masoko dia hitako ianao nanaisotra miadana, ireo tafy sisa tao dia avy eo henoko fitempo, henoko fisefo ilay ainga avy ao anaty, efa tsy marefo Nakimpiko ny masoko dia hitako ianao nampanadino ahy izao tontolo izao nampiaka-maripana, nampiaka-dinitra nampirongadrongatra, ireo heta izay tsy vinitra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mahatamana-aminny-fb
Mahatamana amin'ny FB
raozigasy
Na Antananarivo moa io na Paris hiondanana foana ity FB ity Na an-dafy hafa io na koa Gasikara ity FB ity efa tena tantara fa eto no hita ny toetra rehetra ny saina madio sy ny saina voretra ny endrika ivelany sy ny hambohambo ny toetra anatiny s'ireo hafa atambo fa io indray izao no toa loharanom-baovao ireo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tiako-akia-
Tiako akia …
raozigasy
Tiako akia ny alotsika ao anatin'ny somamby fa manaitaitra zava-maro, mampiita-tambitamby Tiako akia ny jerinao, feno lefaka fitia, fa hahatsinjovako sahady, ilay feoko miantso avia Tiako akia ilay tsapatsapa, ato anaty maizim-bolana, fa mampandevy ny ao anaty, ka ny lohaliko mangorana Tiako akia ilay safosafo, t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mifona-e
Mifona e
raozigasy
Fifonana kely ho an'ireo namana nandefa MP Ialako tsiny aminareo rehetra na dia mampihomehy f'ilay tononkalo tsy nosoratako hoe ho an'olon-tokana na hoe natolotro ho an'olona miavaka mitokatokana fa tononkalo nataoko mihitsy ho an'ny daholobe ireo an-tapitrisa sy maro dia maro manao FB ka safo-be mantsina, ny haf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/misy-kasikasika
Misy kasikasika
raozigasy
Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe Misy Misy kasikasika, misy safosafo atosiky ny orana, miraraka ao an-tafo Misy tohotohoka, misy fihimpihina asesiky ny feon'ny tadim-pitia kitihina Misy langolango, misy tambitamby atakalokalo, an-java izay somamby misy angolangola, misy dongidongy vaitra naka vaika naso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mahita-angano
Mahita angano
raozigasy
Io indray izao ianao s'ilay FB fa efa tenenina, impiry aho moa milaza , mba « moderer-o » ihany, fa manao bemarenina jereo ity tononkalo ity, izay zava-nolazainy dia ianao mihitsy tsy asiany salasala, fa dia tantarainy, tsy mitsitsitsitsy Izany no midika, fa efa mahita anao, izao tontolo izao hoe vao lasa aho mias...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ndremaras/ilay-vohitra-iray
Ilay Vohitra Iray
ndremaras
Ilay Vohitra Iray, Taona maro lasa izay, nisy vohitra iray Nifanojon'ny fitiavana, nirehitra nahamay Betsaka no vita tao, ary tena tsapanay F'io fitiavana io, ho dodoria mandrakizay. Ankehitriny toa nianjera, Ilay Vohitra nijoro Nosomparan'ny tsy tia, mba ho potika sy toro Tantara sisa no tavela, f'Ilay Vohitra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/koboko
Koboko
raozigasy
« Koboko » ny « jeu »-n'ilay hala-tahaka amin'izay hiparitaka be hoe hihahaka hoe ilay fitondrana anie ka voasolo dia mahalala daholo ny eran-tany tontolo « Koboko » ny « jeu »-n'ilay « copier coller » niainga tamin'ny resaka hoe mampihomehy kanefa te hiseho amin'izay sy halaza hoe efa « mise en place » ny olon-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfantomas/ry-fanadinoana
RY FANADINOANA
alfantomas
RY FANADINOANA nahoana ry fanadinoana raha mipetraka fa tsy levona koa na nivalona nanaraka taona fa mifikitraka mafy ao am-po? nahoana? nahoana valio? nahoana ity sakaiza no ampijaliana? nahoana no dia hatramin' ny anio nahoana no dia tsy ahitam-pifaliana? sa ve izao no efa voalahatra? fa rava sahady ny anay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aotra...-tsy-misy
Aotra... tsy misy
raozigasy
Dia hiteny indray aho izao hoe « speechgate » fa izay no hitako tao amin'ny « internet » dia ho avy hitsongoloka eo ny sasany fa mpitsikilo ahy mantsy no lahasany Dia raha hiteny aho izao hoe « karaoke » hoe hira amin'ny rindrina no vakian-dramose dia ho avy ry zalahy HVM hanakiana avy hatrany fa tsy hanao « j'...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izy/tsiahy
TSIAHY
IZY
Mbola tadidinao ve ny hohoko ! Raha iniako ifanenana ianao ! Mbola tsy sitrana ve lay fery norangotiko fahiny ? Ireo kapoka mangidy sy rangodrangotra nomeko anao fahiny ! Mbola halanao ve raha haveriko aminay izany ankehitriny ? Nanaraka ny hohoko ny ranao Ary ny ranomasonao mandena ny lambako ka mahasorena ahy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/film-be
Film Be
raozigasy
inona indray ny vaovaon'ny FB Film daholo izay rehetra mandeha noloarany tao ireo sovenira ireo dossier taloha no ataony hirahira dia io fa roboka izao tontolo izao mamoaka tsy mihafa ireo film-ny ao mandefa mitsiahy, ny lasa taloha ireo an-taona maro no indreo indray mifoha dia tazana indray ireo hadalana na ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izy/fo-tetaka
FO TETAKA
IZY
Ny foko anie ka tetaka Toa mikolepadepaka Raha vao mahita anao ! Ny foko anie tsy tony Toa mamon'ny rongony Raha vao seraninao ! Ny foko anie ka babo Mianjera sady lavo Mahita anao mandalo ! Ity foko dia mimalo Angolainao hoe Letsy Izany rehefa RESY !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfantomas/tsiaro-manokana
Tsiaro manokana
alfantomas
hitodika ny lasa aho hahatsiaro indray androany fa nisy ora iray mafaitra nampitondra ahy toloko tsy mbola levona na maty fa manakoako aok'izany 'lay ora iray mangidy saingy manan-danja ho an' ny foko hangina iray minitra aho, ho fahatsiarovana izany tsiaro tena tsotra, hamohafoha indray ireo tadidy tsiaro am-pah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voady/asiako-tsiky
Asiako tsiky
Randja
Mety hisy hatezerana hitanao soritra eny amin'ny tava satria aho tsy fanaperana, mety hamoaka teny tsy voahevitra ny vava hanaovako azafady, hialako tsy tsiny ihany ary mba ho setrin'izany rehetra izany dia asiako tsiky hatrany hitsiky aho hoy aho Mety hisy alahelo aman-tsento tsikaritrao eny amin'ny tarehy satr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/izy-ve-
Izy ve ?
Pissoa
(Avy namaky ilay "Izaho ve ?" nosoratan’i r.epsilon) Izy ve ? Tsaroany tamin’iny Akanjo tsara pasoka Tsiky iray tsy sazoka No nentiny nanafina ny tena adin-tsainy. Tadidiny nanjombona Ny mitatao vovonana Tsy tsikariny akory ny nidifian’ny maraina. Ny nafenin’ny fitafiny ? Ny fony rotidrotika ; Fanahy efa lot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ry
Ry..
raozigasy
Ry sary manimba ny masoko sy manaitaitra ny andrasoko Ry kanto soa mampitselatra ilay foko te hanan'elatra Ry meva mpanaitra fanahy manainga ny anaty ho sahy Ry tsara mamelona avelo tiako ho tsiambaratelo Ry endrika soa kanto loatra mampiridana tempo hitroatra Ry tahak'ilay tonga lafatra lavitra tsy mety tak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/ianao-sy-ny-toaka
Ianao sy ny toaka
Djaw
Rehefa mahita azy dia tsy tafapetraka ianao ! Fa ny hiaraka aminy ihany ny ao an-dohanao ! Tsy mahalala ny ora fodiana, tsy mahasaraka azy ! Satria dia variana, finaritra ny hanala azy ! Raha tafaraka, tafihaona lesy ianareo roa, Manao fiteny tsy fantatra, ny feo amin’izany efa voa ; Ny famindra toa efa tsy amin’...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/miala-any-speedheryman-
Miala any « SpeedHeryMan »
raozigasy
Tsy mitaingina ny « TGV », fa tonga dia irery mandeha efa tsy mijapy « train », fa efa nahazo ny « main » Mahamasina na dia tsy feno, ny kabariny ho an'izay nihaino hoe miasa tena « vrai », manomboka « copier coller » izy aloha « technicien » , na resa-bola na resaka « tsain » te hiavaka fa tsy hoe mivaha, dia man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/tiako-ny-sipako
TIAKO NY SIPAKO
Skual
Na iza milaza ny tenany ho tsara Na zovy mandoka ny tenany ho favy Ny sipako ihany no tena amboara Ny sipako ihany no tena vehivavy Olombelona ihany aho ka tia maka fafiny be fahotàna, sy tia kolikoly Fa ny sipako kosa tsy asiko rafiny e! Na hikitik' ahy in-jato devoly. He!ty fahantrako ikoizan-dry tary Kanos...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/omeo-jaime-
Omeo « j'aime »
raozigasy
Ny laoka may, ny vary mohaka vilia, vilany tsy misasa ny ambin-kanina mihohoka FACEBOOK no lahasa Ny efitrano tsy mivoha, ny fandriana tsy milamina tsy misy raha iasan'ny loha fa am-pinday mihaminkamina Ny torimaso ts'isy vanona fa natakalo kilalao ny FACEBOOK tsy ajanona fa mamibe tsy maintsy atao Ny asa r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/azafady
AZAFADY
Teboka Telo
Teny re ombieny ombieny ny « Azafady » Rah' hangata-dalana ka miondrika, mandady,... Io koa no ampiasaina raha hiteny Na hikabary imason-joky, ray sy reny... Miala tsiny, miala fondro,... « Azafady » Rah' nahateniteny foana imasom-pady Nanadino irony razana iombonana; Voaompa reny hatramin'ny zanaka, ankohonana!...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aleo-rovitina
Aleo rovitina
raozigasy
Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe MIFAMERINA Aleo Aleo rovitina mihitsy izay pejy maloto tsy avadika fotsiny fa mampivonto dia pejy vaovao an-daharana "aotra" no enti-manohy ilay hatrany ankoatra Aleo fisahana ho marina ny lalam-baovao alevina im-pito ireo tsy nety natao ka banji-mitovy, sy tanjon-tsahal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ilay-hala-tahaka-hono-aokizay
Ilay hala-tahaka hono aok'izay
raozigasy
Ilay hala-tahaka hono aok'izay fa hoy ny vazaha efa hatraty aminay no malaza ratsy amin'io Gasikara ka manala baraka sy manimba tantara Fa nalaina tahaka : i Obama Barack teo no niandoha ilay fahafaham-baraka izao indray nitovy dika tamin'i Sarkozy ts'isy malagasy mahay ve ity tany ity ? Raha haiko mialoha, iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/i-zety
I Zety
Teboka Telo
Ambarako anao ny tantaran'i Zety? - Tovovavy kely, mpanenjika fety; Ny volony? Bory! Tsy nilana hety, Fa sarontsaroman'ilay kasikety! Efa impiry nivoaka gazety,... Fa miseho ho favy, miseho vedety: Nangalatra volam-bazaha iray malety Ka tratran'ny pokna tao Besarety Dia nihidy amam-bolana tany 'ty Zety! Hafali...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilefy-goods/fiangaviana
FIANGAVIANA
Tsilefy (Good's)
Aoka re mba tsy ho toetra, na ho noho ny fahoriako na ny momba ahy rehetra, no nampanaiky anao ho tiako tsy ho izaho ilay be tomany, na izaho ilay be fisentoina enga anie mba tsy ho izany, ndrao fitia mora vonoina Aza izay endriko tsara sy ny bikako mirindra no hilazanao ahy ho anjara sy ilay tianao indrindra eng...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/heloka-ibabohana
Heloka ibabohana.
DotMG
Ilay ampirafesina Ho lefitra ihany Raha toa tsy renesina Hoe nisy izany. F'ianao ilay mibebaka Miaiky hadisoana Toa mainka manebaka He izaho no esoina. Raha hoe tati-bolana Fosan'ny hafa Tsy nataoko ho olana ... Resa-tsôlafa. F'ianao ilay manaiky Vao main-mampangotika Indrisy aho taraiky Ny fo rotidrotik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilefy-goods/asa-mba-makaiza
ASA MBA MAKAIZA....?
Tsilefy (Good's)
Misy teny tiako ho ambara ho anao ry olona iny; teny mety tsy ho tsara ka somary ialana tsiny. Mazana aho mantsy no mandre indraindray ko mahita, fa asa mba makaiza re ireto vola tsosaintsika? Isan'andro heno foana hoe: mitrosa Gasikara hanavotana ny naona sy hanana ny tsara; Nefa indraindray mahagaga fa a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/rehefa-maloka-ny-andro
Rehefa maloka ny andro
raozigasy
Misy fahiny tsy voafafa, ao am-pon'ny tsirairay Misy fery mbola ratra, manindrona indraindray Misy hatanorana miherina,, mandindona ity taona anio Misy ako mitamberina, miantso manao tadidio Misy omaly te hitsangana, atsikafon'ny ambiroa Misy tantara tarangana, mbola maniry te hifoha Misy nofy tsy tanteraka, izay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/tsy-tantiko-ry-taniko
Tsy tantiko… Ry taniko…
Djaw
Ary mba iza ary izany mitomany izany ? Toa efa naharitra elaela nefa tsy mitsahatra ihany ! Andraso hojereko kely, mba asiako maso ! Sao izany olona izany dia mba ho matin-dranomaso ! Hoadray ! Toa olona fantako izy izany mba marina ! Kanefa toa efa tsy hisy volo izy izany fa maninona ?! Ny ambiny sisa, toa esori...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/samy-manana-ny-lerany
Samy manana ny lerany
Teboka Telo
Raha vao maraina, vao mangeto-boay, dia io Rainikoto Fa mailamailaka sy miolomay, satria olo-mazoto: Milanja ny angady, hamonjy ny saha s'ireo tanimbary; Dia ireo fambolena tsy mena-mitaha amin'ny an-dRainibary. Raha vao miposaka indray ny masoandro dia io Mamalisy Manomankomana kely nahandro sy laoka saosisy, En...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/matody/aminizao-fotoana-izao
Amin'izao fotoana izao
Matody
Amin'izao fotoana izao Ny tsy tokony atao lasa fanao Miova ny zava-drehetra Ny madio lasa voretra Ny antitra te ho tanora Ny tanora tsy mahafehy tena Ny ankizy maditra isan'ora Tsy misy intsony ny azo jerena Ny ambany lasa ambony Ny antonony,efa tsy misy intsony Lasa soavaly tapa-kofehy Mirifatra,toa tsy mis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/matody/very-hena
VERY HENA
Matody
Ritra,ritra'ny saka ny laoka Dia lasa,dia lasa,lasa nitsoaka Gaga,dia gaga,gaga i Mena Fa tsy hita,tsy hita,tsy hita ny hena Tezitra,tezitra ny iray trano Fa ny vary,ny vary tsy misy fangaro Romotra,romotra,romotra i Dada Nanata-,nanata-,nanata-bava Dia andeha,andeha,andeha hamono 'lay saka,'lay saka,nangalatr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/manga-maso-maso-manga
Manga Maso, Maso Manga
raozigasy
Tononkalo nampitenenana ny hosotr'i Vero Rajohnson Ireto masonao manga Moa tsy manaitra maharanga ? Sarintsarina akanga Hanolo sa hameno banga ? Ireo manga imasonao Moa tsy miantso ve hoe ndao ? Hiendratrendratra an-dalao Kanto ve hisy hoatr’izao ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izy/fo-maratra
FO MARATRA
IZY
Nahazo aretim-po Narary ny an-doha Voarangotra tsy nahy ! Fanina tsy iniana Nilaozam-pitsikiana Ilay tiana ve no sahy ! Nandà an-kitsirano Ny rediredin'ny mamo Mitory ny fitiany ! Ny mamy nantenaina Toa sarotra bataina ! Am lalana fodiany !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/maika-aho-akia
Maika aho akia
raozigasy
Tononkalo nampitenenana ny hosotr'i Vero Rajohnson Maika aho akia Malala ka tsy nisalasala nanosika mangina Ilay saraka nohidiana Maika aho akia rahavana ny hitavana fitiavana ka nalaiko tsiro am-bava ilay tafy niharava Maika aho akia ry tiana ka nalaiko an-tsondriana ilay omankomana sara-ravim-pitolomana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/matody/ventsonny-mpanao-mozika
VENTSON'NY MPANAO MOZIKA
Matody
Kalokalon'ny mpanao mozika Kalokalo rehefa vendredi magnifika Kalokalo tsy misy mélodie kalokalo tsotsotra tsy misy théorie Entaentanin'ny aingam-panahy Manoratra tsy ami'ny ahiahy Soratra solon'ny fitendrena Mahafaly ny fo vao jerena Ventso solon'ny cabaret Tsy haiko na ahoana ny clé sy tonalité Fa soratra h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/matody/aza-mba
AZA MBA…
Matody
Aza manao anao ho hendry Fa sao vaosariky ny adala Aza manamavo ny tinendry Fa hanjary adala mipalapala Aza dia manandran-tena Na manambony tena Fandrao voan’ny tazon-karena Mndreraka,vao jerena Aza miseho ho mahay tanàna Rehefa very vao hienahena Aza miseho ho mahay lalana Sao ho lavon’ny vato an-tsisin-dal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/lasa
Lasa
raozigasy
Ho any ianao fa haiko, ary efa kely sisa dia io fa hamonjy, ilay tory feno visa saran'ny havizanan'ny tontolo andro sandam-bezivezy, mandram-podin'ny masoandro Ho any ianao fa hitako, amin'ny fironjonanao fotoana vitsy sisa, dia io fa lasa izao manaraka ny antso, sy ny sinton-tory ilay hoe mipetraka, tsy tadidin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izy/tsy-maty
TSY MATY
IZY
Manonja mierona tanaty Ilay fihetsim-po tonta Zary maika misamonta Mitominjaka tsy tanty Hay ilay afo tao tsy maty Na dia antitra sy konka Hay ilay afo tao niranty Fa nodianao jomoka !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izy/ry-anjely
RY ANJELY
IZY
Ny hira sy ny kalo Tsy avelako handalo Ataoko indray misambotra ! Ny tsanta sy ny vazo Tsy ekeko raha malazo Fa tsara sy mandrangotra ! Ny revy sy ny rombo Tsy avelako hitombo Ny aiko anie ka kely ! Matoa aho mbola eto Mandre anao miventso Resinao ry Anjely !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/handeha-ianao
HANDEHA IANAO
fanasina7
… Tsy hangina indray ny foko f’hitomany an-taratasy …handeha ianao ry tiana ; K’aleo hanaram-po fa zoko Ny midradradradra mafy Satria hilaozanao hangina. Hahantra indray ny vatako, Safosafo, tsongotsongo F’hilaozanao ho irery. Hihombo indray ny ratrako, Ny foko hiha-hivonto Satria sarotim-pery. Fa hanainga...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-foana
MISY FOANA VAVAKA
Fredy Jaofera
MISY FOANA VAVAKA !.... Misy foana vavaka ataoko isan’andro tsy hampihatakataka ny Ray fa mitandro. Misy foana vavaka ataoko isa-maraina, mety ho mangataka fa saotra be lalaina. Misy foana vavaka ataoko eny ho eny hisy soa miravaka ‘zay hita lavareny. Misy foana vavaka ataoko mangingina ho firenena miava...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/matody/fitiavanny-tanora
Fitiavan'ny tanora
Matody
Ny fitiavana no afo mandoro ny tanora Afo miredareda tsy mety moramora Mampidoboka ny fo tsy an-kiato Toa tena mamy ka tsy hatsatso Midoboka ilay fo vao miserana ilay tiana Mientanentan-kafaliana,toa lavim-pahoriana Mihiratra ny maso raha mahazo ilay tsiky kely Dia finaritra ery fa nandalo i Madimaozely Toa mam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/taona-vaovao-sy-vaovaonny-taona
TAONA VAOVAO sy VAOVAON’NY TAONA
raozigasy
Voalohan-teny dia TRATRY NY TAONA, Na mpinamana isika na mbola tsy nihaona Dia ny soa rehetra eto anivon’ny tany, No iriko hiraraka ho anao hatrany Ny faharoa dia milaza vaovao, Ankoatr’ity taona zaraiko aminao Dia misy ireo HETSIKA sy VINAVINA, Atolotra ho anao sao ianao mba liana Ny HETSIKA, dia ho avy tsy ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mihaja
Mihaja
raozigasy
Kepokepoka tanteraka, ilay maso be tsikera Fa tojo ny hakantoana lafatra, andrarezin-tsy hay azera Ilay harika fanaony, nohalefahiny fijery Nanaiky izy nony farany, ka nangina sy tsy niery Ankonankona tery, ilay fihetsika mpanebaka Raha adika ilay nataony, toy ny olona mibebaka Fa ilay vavany mpaneso, mahita tsin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-rta-avotra/tiako
Tiako...
Tojo Rta Avotra
Tiako tsy an-kiteny tiako tsy an-tery tiako tsy an-kery Ary tiako tsy ho very. Mamy sy lalaiko Vahatry ny aiko Jiron'ny saiko Ka ny andao tsy ho haiko. Tiako ho ahy manokana Fa tolom-panavotana nanavotra ny foko Tao anatin'ny korontana. Tiako tsy mihafa Tsy atakalo hafa Tsy havariko amin-tafa Fa kendreko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/matody/tsy-mitovy
TSY MITOVY
Matody
Izaho tsy ho izy Ary izy tsy ho izaho Ny fisainako tsy ho takany Ny takany tsy ho takatro Ny halehany,tsy halehako Ny fiainako,tsy fiainany Azy ny azy Ahy ny ahy Ny lohako tsy lohany Ny lohany tsy fantatro Ary ny fantatro tsy takany Tsy takatro ny fantany Raha fotsy izy Izaho mety ho mainty Raha havia izy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raitranao
Raitranao
raozigasy
Tsy ny masoko akory no mipendrapendran-jery Ka kosehiko matetika, fa mitifitra mahery Fa izato Raitranao, nobanjininy tsy miery No nahatonga azy toy izao, ka tena nampiteny irery Tsy ny jeriko akory, no miridy tsy mipika Ka hendratrendratiko eny, hoe mba hibaliakaliaka Fa izato Raitranao, maninto-maso re ilay bik...