url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/iza-ilay-p...m | Iza ilay P...M... | raozigasy | Paingotra Manindrona, no raisina lalaovina
vato ts'isy bao, no andramana atataovina
tongo-ts'isy kapa, no hanitsahana tavoahangy
na inona atao, mipoaka eo ny nangy
Politika Maloto, no ahodinkodina
ilay tandrimondrimon-tseza, io izao fa mandodona
rora mitsilany,sy vadi-palitao
tsipa-doha-lakana, no atao kilalao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/mirary-soa-ho-anao-ry-foko | Mirary soa ho anao ry foko... | Nofy2 | Miomana ianao ry foko hiatri-piainam-baovao
Ary hanova ny famindra izay tsy mbola hitanao
Eny ekeko mafy izany,nefa indrisy tsy azo lavina
Fa tsy maintsy ho sedraina,handalovana sy diavina
Irariako ianao ry foko mba vetivety dia ho sitrana
Satria ilay ratra anatinao sady ngeza tsy mivitrana
Ary tsy ho farofy ints... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/noho-ny-fitiavana | NOHO NY FITIAVANA | Fredy Jaofera | NOHO NY FITIAVANA
Matoa isika teraka
dia noho ny fitiavana,
ka aza mety reraka
hihira fahasoavana.
Matoa isika miaina
dia noho ny fitiavana,
ka andao re lazaina
fa fitahiana goavana.
Matoa isika sambatra
dia noho ny fitiavana,
ka aza miambatra
tena hampihavana.
Matoa isika toy izao
dia noho ny fitiavana,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/tsy-misy-isika | TSY MISY ISIKA | ikaloyna | TSY MISY ISIKA
Tsy misy mety mino ny tonom-betso tsotra
Voarangotry ny penina miaty ranomainty
marihitra tantara
"tantaram-mpinamanana" ny olona eto an-tany
Tsy misy te hanaiky ny hitsin-tondrozotra
voasoratry ny lahatra nametraka tsy maintsy
ho mbola soa fiafara
raha mbola olombelona, f"izany no lalàny
Tsy mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miandry-berantoson/vavaka | VAVAKA | Mi'andry Berantoson | Tao Aminao no nahazoako hafaliana maharitra
Tao Aminao no nisy ilay fiainana tena mahafinaritra
Toa tsaroaka ho feno fiadanana izany fiainako
satria eo Ianao mbola afaka hitarainako
Tsy misy atakaloko Anao ry Tompo
Raha mbola misy aina dia hazoto ny hanompo
raha izay enjika sy ny fanaratsiana tsy ahoako izany
ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harifidy/fa-ny-antsonao | Fa ny antsonao | Harifidy | Fa ny antsonao
Fa ny antsonao tsy reny
Dia efa notefeny
Ho anao daholo
Ny fo sy ny herin-tsainy
Nataony lemademaka
Azonao hitsorana
Toa bozaka malefaka
Tsy main’izay hodorana
Fa ny bitsikao vao miainga
Dia efa lasa bainga
Manao ambaratonga
Vitany ho tanety
Mamokatra sy miaina
Toa tany mampirenty
Ireo sah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilefy-goods/ilay-fitiavanao-mangina | ilay fitiavanao mangina | Tsilefy (Good's) | ny fihetsikao rehetra maneho fankahalana
mandrafy tsy ankitsetra ny momba ahy mazana
ny fosafosanao sy ireo fanaratsiana
dia ahitako tsotra izao ilay fitiavanao mangiana
ny masonao mangarika, ny fihetsikao migafy
ny ozanao mitarika, ny ompanao mifafy
ny fankahalanao ahy manjary mahavariana
dia mitory ny fisian'i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ny-ranomaso | Ny ranomaso | Nofy2 | Ny ranomaso re mazana
Matetika tsy tana
Mirotsaka tsy nahy
Mandrotika fanahy
Nilaozan’olon-tiana
Potika ny dina
Mirotsaka tsy nahy
Mandrotika fanahy
Dia indro fa mifoha
Ny tsiaron’ny taloha
Mirotsaka tsy nahy
Mandrotika fanahy
Kivy ny fiainana
Tsy misy itarainana
Mirotsaka tsy nahy
Mandrotika fanahy
Vot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/iny-lanitra-iny | iny lanitra iny | cedarf | Iny lanitra iny! henoy ny fitarainako,
Fa mampaory ahy loatra ny sento ka tsy tantiko,
Ny embona azy foana no mameno ny fisainako,
Ny tsikitsikiny iny, mbola raikitra ato anatiko.
Iny lanitra iny! raha azonao atao,
Ny rivotrao mitsoko lazao hitondra teny,
Lazao ho tongany any fa izy anatiko ao,
Manina aho ka mit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/mampiahiahy | Mampiahiahy | Nofy2 | Matetika isika rehefa miresaka
Dia avadikao ny foto-dresaka
Odinao tsy heno,odinao adala
Dia hoy ianao”avia ry malala”
Dia mihevitra ianao fa tsy mba tsaroako
Kanefa mipetraka ho ratran’ny foko
Nataoko ihany aho ny mba ho valiana
Indrisy ry tiako tsy norarahiana
Kanefa tsy nisy dikany izany
Raha niezaka ihany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/be-fika | be fika | RNofy | Be fika
Ry mpanao politika izay be fikafika
Tsara aminareo ny ao anaty barika
Ahondrana lafo mankany Amerika
Sesefana baomba na koa dinamita
Ho potika sy rovitra ts'isy hahaita
Leo anareo ny vahoaka ny olon-drehetra
Amin'ireo lainga sy fitaka tena voretra
Mpampandry andrisa no sady be filaza
Ny vavako mihitsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/tsy-mendrika-anao | Tsy mendrika anao | RNofy | Tsy mendrika anao
Izato akanjoko rotidrotika
Ny tongotro tsy mikiraro
Ny foko anefa potipotika
Vao nahita anao nandalo
Ianao nijery dia nihanjona
Rikoriko raha nahita ahy
Izaho anefa toa nibanjina
Toy ny hoe very fanahy
Nodinihiko ambony ambany
Ilay fitafinao tena kanto
Ilay kiraro moa izany
Maneno tahaka n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/izay-ihany | Izay ihany | RNofy | Izay ihany
Raha hihomehy ianao tsy maninona
Kanefa aza ataonao tsinontsinona
Ny tsy fafehezako ny teny vazaha
Fa tsy mampitsanga-menatra ahy
Tsy hoe akory izaho no tena bado
Raha tsy mankafy ireny vazo
Miampy irony fomba sy lamaody
Izay mampitranga taola-maoja
Ny kolontsaina anie ananatsika
Fa naleonao ny avy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/nofiko | Nofiko | RNofy | Nofiko
Izaho tamin'ny alina nanonofy anao
Toy ny tsy teto an-tany, moa mba fantatrao?
Hafaliana safononoka, iny alina iny
Hasambarana niavosa, tsy hay hoe firifiry
Na ny paradisa 'zay tsy mbola hitako aza
Toa niainako sahady ary sahiko ny milaza
Fa tena fenonao tsy ampiana tsy analana
Tamin'iny alina iny, tena ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/tolory-tnana | Tolory tànana | RNofy | Tolory tànana
Mampalahelo izy mipitrapitra
Mahita anao dia mitsiriritra
Mamela-tànana mba mangataka
Moa ve ilaozanao mihatakataka?
Izay mba foy fa tsy voafetra
Tsy hoe izay ananao rehetra
No andrandrainy avy aminao
Fa izay tena sitraky ny fonao
Raha toa izy ka mamela-tànana
Moa tsy noho ilay tsy fananana?
Ia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/tiako | Tiako | RNofy | Tiako
Tena sitrako sy mamiko ary tena faniriako
Tantananao ny tanako r'ilay tena olon-tiako
Manomboka izao ka hatreny ambony alitara
Anokafanao koa ilay voaly fotsy tena tsara
Ho anao irery ihany ity foko ry malala
N'iza n'iza te handrava ny fitiavako tsy miala
Fa tokam-po toy ny siny ka ny rano ihany
Ianao ila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/fitaka | FITAKA | RNofy | FITAKA
Izay rehetra nantenaiko
mba ho fifalian'ny saiko
Dia niova tsy nilaiko
fa nampijaly ny aiko
Izay rehetra nandrandraina
toa nampiferin'aina
Fa ianao ilay nantenaina
Lasa vesatry ny saina
Nilokaloka ny maraina
Hajaiko ianao sombiniaina
Dia indro nampanantena
Ianao ihany no lalaina
Hay niova ilay tonto... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/lamaody | Lamaody | raozigasy | Izaho ve no taraiky amin'ilay lamaody
sa ny masoko no adala, mora kaodikaody ?
Izaho ve no taraiky amin'ilay tantara
sa ve ny fijeriko, no mbola tsy zatra tsara ?
Fa ny tafy izay mba tsinjoko, toa tena manahirana
mazava be ny karatra, tsy mila misompirana
ny ravin-damba tsy ampy, ny fihetsika moa jefy
ka ny maso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/kaokam-boatin-drakitra | Kaokam-boatin-drakitra | raozigasy | Ireo tamba-bola vy, tanaty boatin-drakitra, nokaofiny indray
ka rehefa natsitoko, ary natakalo, lasa taratasy iray
izay sisa vola, fara-famonjena, mety hamaha ny olana
fa raha izay karama, ela vao ho tonga, ilay faran'ny volana
dia natao tsara fihina, natao tsara sitrika, natao tam-paosy lalina
ity taratasy sarobi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/tia-anao-aho | Tia anao aho | RNofy | Tia anao aho
Tena sitrako sy mamiko ary tena faniriako
Tantananao ny tanako r'ilay tena olon-tiako
Manomboka izao ka hatreny ambony alitara
Anokafanao koa ilay voaly fotsy tena tsara
Ho anao irery ihany ity foko ry malala
N'iza n'iza te handrava ny fitiavako tsy miala
Fa tokam-po toy ny siny ka ny rano ihany
Ia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mody-hoe | Mody hoe | raozigasy | Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe "Mitovy ihany"
Io ianao ry Dafy Noely, mody hoe resa-kena
nefa raha halalinina, fakaina sy jerena
dia ireo fanilahana olona ataon'ny saranga
sy sarintsarin-toeran'ny fiainana no aranga
mody hoe kotoleta, tsy mety mifangaro
nefa milaza miavaka, ireo tsy « besinimaro »
mody... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/.omeo-ahy | .Omeo ahy | raozigasy | Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe "Omeo"
Omeo ahy ny kianja midadasika, sy ny kijanan'ny fitia
hanenjehako ny lasa, sy ny tsy vita hoe avia
Omeo ahy ny tontolon-dalan-dio, hampiakarako ny sefo
hilazako sy hizarako fa mamy ireny tsy marefo
Omeo ahy ny habaky ny alina, ny hadirin' ny noanoa
hitantarako tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raozigasy-anie | Raozigasy anie | raozigasy | tsy hoe faly hitsikera, na faly hikafara
fa nisy tranga tao, nisy raha voadinika
mety hoe vaventy, mety hoe madinika
tsy hoe faly te hiteny, sy hanabe faroratra
fa nisy jery tao, nisy topy maso
mety ho atambo kely, mety hoe ankaso
tsy hoe faly te hilaza, hoe ny azy no tsara
fa nisy tsiny, tao, nisy koa fondro
k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfantomas/zovy | Zovy... | alfantomas | Zovy...?
Zovy moa ianao fa segondra ihany
No dia ahalalanao sahady ny eritreritro?
Zovy loatra ianao fa tsy ilazako akory
Dia sahy mamboraka ny miafina ato am-poko?
Zovy...?
Lazao...
Zovy loatra moa ianao?
Iza...?
Iza loatra ianao fa minitra vitsy monja
Iza ianao no dia mahay mamaky ny vinavinako?
Iza loat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/raha-azonao-atao | RAHA AZONAO ATAO | ikaloyna | RAHA AZONAO ATAO
Raha azonao atao
Bedeso mba ho sina ny foko te-hitraotra
Manao ho fifaliana ny sangy tafahoatra
Fa mody kilalao
Raha azonao atao
Rafeso ho fahavalo ny faniriako adala
Miventy tononkalo miantso anao “malala”
An-kira tsy fanao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/fandrotrarana-sy-voara | Fandrotrarana sy voara | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Izay miringiringy no ho potraka"
Tery antampom-bohitra miteza
Dia nisy foto-kazo (voara ngeza),
Izay nandrantsana, nisondrotra avo :
Fihaonam-borona miravoravo !
Ny voany manitra tsy hita isa ;
Ny alokalony toa paradisa :
Ny mpivahiny trotraka sy ana,
Dia eo no miery 'zany hafanana !
Tsy lavitra ilay hazo mak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/iray-donakafo | Iray donak'afo | RNofy | Iray donak'afo
Raha miserana manaova mbay làlana,
Raha mifankahita mifandrasa tànana;
Mifampizarà tsiky ho mariky ny fitiavana
Mifampiraria soa fa mpiray Tanindrazana.
Samihafa fihaviana, ny tanàna tsy iray
Ampifandraisin'ny teny dia Malagasy iray.
Samihafa volon-koditra tsy iray firazanana,
Tsy avelan'ny vohit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/ianao | IANAO | RNofy | IANAO
Ilay fitsikinao toa volana baliaka
Ravahan'ny kintana maro tsy hita isa
Ilay molotrao feno tsikitsiky
Kanto dia kanto, tsy misy tomika
Fihin-tananao tsy misy toa azy
Na aretina aza mantsy toa sitrana ho azy
Ny tositosinao mahafinaritra aoka izany
Arahin-tsafosafo mampisinda tomany
Ianao mantsy iny iray t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izaho-ange | Izaho ange | raozigasy | Izaho ange rey olona, tsy hoe malahelobe
fa ilay hafatra voaraiko, no tena nampihomehy
ka tonga dia navadiko, nakako « inspiraka »
indraindray koa ange matsiro, ny kasoka sy taim-piraka
Izaho ange ry namana, tsy nahatsiaro hoe voadona
ka tonga dia nibabaka, hoe hijanona hifona,
fa ilay resaka natsipy, noraisiko h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/kanto-varo-boba | Kanto varo-boba | raozigasy | Tsikera kely azoko, dia indro fa zaraiko
angamba mety hoe marina, fa tsy niasan'ny saiko
tononkalo varo-boba, maty kapoka sy hasy
Ny kanto hoy izy mantsy, tsy tokony ho toy izao
hoe aparitaka etsy, ho an'ny tsy misy atao
fa tokony homen-daka, akarina ambony
fa tsy zarazaraina amin'ny sehatra toy itony
fa lasa ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/toky-fitaka | TOKY FITAKA | RNofy | TOKY FITAKA
Izay rehetra nantenaiko
mba ho fifalian'ny saiko
Dia niova tsy nilaiko
fa nampijaly ny aiko
Izay rehetra nandrandraina
toa nampiferin'aina
Fa ianao ilay nantenaina
Lasa vesatry ny saina
Nilokaloka ny maraina
Hajaiko ianao sombiniaina
Dia indro nampanantena
Ianao ihany no lalaina
Hay niova ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/ianao | Ianao | oceane | Reko teny ho eny fa niteraka hono ianao
Mianoka hasambarana fa akaikin'olon-tiana
Dia lasa ny fisainako hoe inona ny lesoka
Nahatonga ny antsika ho rava sy hivalona any
Mampanontany tena koa ireny antsonao ireny
Rehefa mahatsiaro ka manatsafa vaovao
Tato ho ato, nangina tanteraka ianao
Ary inoako marimarina fa t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ndrii | Ndrii | raozigasy | Niantsona an-tseranana, ilay fiaramanidina
iny ny anao lahy, nanaraka ireo mpidina
dia nitanjozotra, nanao lala-manjohy,
ny rehetra teo aloha , no natao solon-drohy
dia niandry naka entana, nanahaka ny olona
sady mba nikevoka, hoe vita teo ny tolona
fa hahita zavam-piainana, fa tonga aty an-dafy
hahita paradisa,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rio/miorina | Miorina | Rio | Impiry aho, nitorovoka nianjera,
ka nohosena, nihosom-bovoka,
noratraina sy noesoina?
Nefa dia nijoro hatrany!
Eny, ekena fa nitany.
Dia nilona ranomaso!
Niantsoantso fahafatesana!
Mba ho fara-fihantrana...
Nefa, miorina ny foko!
Tamim-bato tsy mivena;
Feno hikam-pandresena
Fa tantanan'Izy Tompo!
-Ereritrer... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/nisy- | NISY ... | ikaloyna | NISY
Nisy tahiry ela mbola tsy tiana avela
Nisy diary rimbona toa averina tohizana
Nisy pejy rovitra mbola tiana tsy handositra
Nisy aloka koloina mbola mbola satry hosafoina
Nisy dia efa nifarana mbola mamy hodiavina
Nisy lalana niarahana andosirana sampanana
Nisy tantara vita mbola iria-hiara-mita
Nisy rindri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/oadray | OADRAY | RNofy | OADRAY!
Indray andro aho raha nandeha, nifanena taminao
Talanjona aoka izany tamin'ilay fitafinao;
Ny lamba va re no tsy ampy sa niniana tsotra izao?
Tsy hay koa moa raha diso didy na lamaody vaovao.
Ny maso mijery moa tsy mitondra mody,
Saingy ireo dongodongona, manaitra matory.
Ny andro rahateo koa somary nang... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/teo-sisa-izy-no-tavela | Teo sisa izy no tavela | raozigasy | Notazaniny indray, ilay hosodokom-paratazana, miloko menafify
dia nalainy sary an-tsaina, ilay lentin-johariny iny , takariva izay midify
nampiany sarim-boronkely, miriodriotra maika hody, sy mirifatra fanidina
ary namaranany azy, vera kelin'alikaola, nataony miadana fampidina
Nosokafany ihany koa, ilay tahirina ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/tsy-afaka | Tsy afaka | RNofy | Moa ho verivery maina ny tolom-panafahana
'Zay nataon'ireo mpitolona tamin'ny fanjanahana?
Ràny no nandriaka dia ho fanavotam-pirenena
K'aza atao tsinontsinona, ary aza hosihosena
Izy ireo aloa dia afaka fa isika izao voageja
Andevozim-pombampomba tsy afaka mankaiza;
Hatramin'ny fitafy sy fiteny, toy ilay tamin'n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lay-fo-hafa-kely/tsy-afaka | Tsy afaka | RNofy | Moa ho verivery maina ny tolom-panafahana
'Zay nataon'ireo mpitolona tamin'ny fanjanahana?
Ràny no nandriaka dia ho fanavotam-pirenena
K'aza atao tsinontsinona, ary aza hosihosena
Izy ireo aloa dia afaka fa isika izao voageja
Andevozim-pombampomba tsy afaka mankaiza;
Hatramin'ny fitafy sy fiteny, toy ilay tamin'n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/harena-sy-fananana | Harena sy Fananana | raozigasy | Io ilay zanakay, manosika kodiarana,
tsy hitany akory aho, efa eo am-baravarana
fa ny kilalao eny aminy sy ny teny ireriny,
no arosony, ahemony, sady averimberiny
kanjo vao , naheno, ilay hidy varavarako
nibitaka, nifaly, niantso ny anarako
natsipiny daholo, ny rehetra teny an-tanany
ka avy dia niantsampy, ny sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/malagasy | MALAGASY | RNofy | MALAGASY
Tsy hoe MALAGASY an-taratasy
Fa MALAGASY tena izy
Tsy ambakan'ilay atsy an-dafy
Tsy baikon'ireo vahiny
MALAGASY ray MALAGASY reny
MALAGASY hatrany
MALAGASY fomba MALAGASY fiteny
Ilay okana aman-tany
Andrianiko ny teniko
Hampiasaiko na aiza na aiza
Ny an'ny hafa koa feheziko
Fa tsy izy akory no mita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/isika-roa | ISIKA ROA | RNofy | ISIKA ROA
Nifanaiky tsy an-tery fa tamin-tsitrapo
Na mora na sarotra dia hiafy tokoa
na iza na iza no hijoro hamingana
Ho sasatra foana ary koa ho sahirana
Kofehy mafy olana saro-bahana
Fitia tsara voatra tam-piandohana
Hisedra ny mafy sy ireo fitsapana
Higoaka ny mamy anaty hafanana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/raha-sendra-ianao-ka-manina | raha sendra ianao ka manina | cedarf | Misy tonon-kira nataoko mba ho anao
Raha sendra embonembona ny fonao sy ny tsiarony,
Ireny tambitamby sy teny mba natao
Raha sendra ianao ka manina, nataoko ho anao ny kalony.
Misy teny mamy nataoko tsy holazaina,
Kanefa ianao tomany ka tsy tantiko jerena,
“Mangina fa ny foko mbola tia ry sombin’aina,
Ny lasa m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/aoka-tsy-ho-jamba | Aoka tsy ho jamba | RNofy | Aoka tsy ho jamba
Aleo mihitsy tsorina ary avy dia lazaina
Tsy asiana olankolaka ary koa tsy safaraina
Fa mamiko ity taniko, Tanindrazana malalako
Ka n'iza n'iza te handrava, tsoriko fa halako
Tsy hoe an'olon-toakana, tsy an'izay mahazo seza
Nahazo fahefana ka hiseho fa tena "Ngeza"!
Hanao taingim-bozona ny Tsim... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ialahy-tsy-malagasy-intsony | Ialahy tsy Malagasy intsony | raozigasy | IALAKO TSINY KELY ALOHA, HO AN IZAY MAHATSIARO VOA
FA NY AHY NATAO HAMPISAINA, INDRAINDRAY KOA IZANY MBA ILAINA
Ialahy tsy Malagasy intsony
Izaho ilay mihinan-kodi-kena, sy voatavo andro alahady
Izaho ilay mpisotro « diromel » dia avy eo mamono vady
Izaho ilay mitrongy anio, vao mandrapaka ny omaly
Izaho ilay bot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/manonofy | MANONOFY | ikaloyna | MANONOFY
Tiako hofohazina ny fotaka efa mandry
Navalon’ny fotoana
Satriko hofongarina ny lavenon’ny asara
Ambanin’ny forohana
Mamiko hitampody ny dian-tongotsika
Natelin’ny onjan-drano
Iriako mbola hombana ny lalàna fahiny
Komavoky ny elana
Kasaiko hanidinana ilay habakabakan-kalo
Filalaovana diavolana
Anka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnofy/in-1-hariva | IN-1 HARIVA | RNofy | IN-1 HARIVA
Diavolana tomaratra, kintana nandravaka
Bitsika nangiana, safosafo koa nanaraka;
Notronin'ireo voahary, nanainganainga fanahy
Nampientam-po, nampisinda ny ahiahy.
Safononoka hafaliana tao anaty fahanginana,
Orokoroka nisesy sady niampy fihimpihina.
Toy ny tsy teto an-tany fa dia samy nankafy,
Fa tan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ilay-mampirafy-ange | Ilay mampirafy ange | raozigasy | Atolotra ho an'ireo izay tsy nahavaky hatramin'ny farany ilay tononkalo hoe « Mampirafy » ary ho setrin'ny tononkalon'i Joseclaudio Blacko manao hoe « Rafy sakaiza »
Malala a !
ilay mampirafy ange, voambolana nindramina
nentina nizara, ilay rima tiana, alamina
teny mampimira, ilay gadona napetraka
endri-kanto fots... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harifidy/ekeko | Ekeko | Harifidy | EKEKO
Ekeko ny tsy misy
Rehefa misy anao
Sy izao tontolo izao
Rakotra fanahy...
K’izay atolotra ahy
Tsy asiako hoe indrisy
F’ekeko noho ianao
S’izao tontolo izao
Lalorinao ho mendrika
Arovanao tsy ho rendrika
Ary hanamboaranao
Ny zaridainan’aina
Entiko mampisy
Ny lalina tsy misy...
Ekeko koa ny misy
Reh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haryssh/aoka-izay | Aoka izay | HaryssH | Ajanony ny tomany
Ny olana rehetra avelao ho any
Atseo aloha ny androany...
..dia...aza atao nenina ny omaly |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/kanefa | KANEFA | ikaloyna | KANEFA..
ikorianan'ny rano mateti-piavy
ny masonao tiako mpimbanjina ahy
ivoahan'ny sento mazàna mitranga
ny fonao mbola zaza fanahy
itambolimbolen'ny rivo-manempotra
ny fiainanao bitika tsisy mpitsetra
ihetraketrahan'ny tadio sy havandra
ny tafo mololon'ny tarigetra
kanefa
hitataovan'ny tara-penomanana
ny s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ianina-rabenatoandro/aoka-izay-angamba | Aoka izay angamba | Ianina RABE | Manamafy aho ankehitriny
Momba ilay fitiavanao
Kilalao ireny fahiny
Fa tsy tena tia ianao
Raha sendra olana kely
Dia efa tady hisaraka
Tsy mifampiteny
Raha toa tsy mifanaraka
Tsy tena tia ianao
Satria ianao tsy mahatohitra
Ireo fitsapana kilalao
Tsy miaro, tsy manohitra
Ny tombotsoanao irery
No katsahinao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/somongam-piainana | Somongam-piainana | raozigasy | Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe « Omaly »
ao ambadiky ny hita, misy jaly izay tsy tazana
misy tolona mihafy, misy ady mbola mazana
misy sedra henjam-piavy, misy tsapa tsy ho zaka
izay tsy sahy ambara aboraka, fa tena mbola mahavaka
ao ambadiky ny soratra, fizarana tsiky vao
misy ketoka sy kepoka, izay ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/inona-moa-izaho | INONA MOA IZAHO? | Skual | Inona moa izaho fa « taomobilina » kapoaka
Rohitina amin’ny tady any amin’izay tianao andehanako
Ianao no fitokisako ka n’inona hipoaka
Handroso foana aho raha hazominao ny tanako
Inona moa izaho fa ilay hena antanan-tsaka
Tsy mikofoka intsony fa voafikitrao mafy
Ilay fitia anatiko ao anie ka tena latsam-paka
T... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nantto/ny-masoandro | Ny Masoandro | Nantto | ny masoandro tokana an-tany
tsy hananan-droa ka tena soa
manome hafanana ary koa hazavana
mipaka ami-tany ary isam-baravarana
tsy manavaka izy fa mapiavana
tsy mandrava fa mandrary
tsy manoha fa manoro
mandravona ny tontolo
Mampitsiry, mampivoitra
mampaniry ny tsy te hivoatra
manala ny hakamoana
mamoha ny fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sokina | Sokina | raozigasy | Sao tsy tokony ho matihanina
ho filoha ialahy ry Mampîanina
efa firy volana no lasa
tsy mandroso mihitsy re ny asa
Sao mahazo ny « ialao »
raha mitohy izao Rajao
fa tsy misy raha mivoatra
sa ialahy tsy afaka manoatra ?
Sa ve tena MAMPARary
ilay kandran'ialahy ry Nary
ka tsy misy azo atao
ilay dradradradra « ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kens-andrianjafy/handeha-aho | Handeha aho | Kens Andrianjafy | Entiko mankany, hitety vazan-tany
ny fitiavanao rehetra,
entiko miala eto ka aina anie no fetra
handeha aho fa tsy ho irery
entiko ianao hitantana ny tanako
satria ianao malalako
ka dia ho sambatra isika |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ianina-rabenatoandro/rivo-pitia | Rivo-pitia | Ianina RABE | Ry rivotra miserana
Avy aiza ary handeha ho aiza?
Ny tontolonao tsy azo ferana
Fa izaho tsy afaka mankaiza
Ianao ry rivotra malala
No mety mahafantatra ahy
Manakery entina hahalala
Ny ao am-po amam-panahy
Raha toa ka fantatrao
Raha vitanao vinany
Ny ao am-poko ao
Dia tazony ho anao ihany
Fa misy olona iray
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mety- | Mety … | raozigasy | Mety ho foana ny paosiko, ka tsy hahavidy zavatra ho anao
entina hanamarihana, izao tsingerina izao
mety hoe tsy hisy ny vola, hisandam-panomezana
atolotra amin'ny andro anio, ka zary lasa fihomehezana
Mety hoe izay no tranga, mety hoe izay no banga
fa ny teny sy tena sarobidy, abariko eto hirangaranga
dia ny fok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa-1/aza-kivy | AZA KIVY! | Ntsoa | Indraindray ianao toa kivy
Mandinika ny fiainantsika
Fa ny mamy dia mangidy
Ka mitambatra ho hatsiaka
Manjary lasa rera-dava
Fa tsy ahitana fitsikina
Mipoitra lava eny amin’ny tava
Ny alahelo sy hakiviana
Matok`y fa mbola ho avy
Ilay maraina vaovao
Dia ho tapak’ilay tady
Mibahana ny fiainanao
Ho feno tsikit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harifidy/tsilonny-raozy | Tsilon'ny raozy | Harifidy | TSILON'NY RAOZY
Tsilon’ny raozy ve ?
Aleo tsy vinaniana ny ratra mety avelany
Raha mbola midorehitra ka manitra ny felany
Fa mety handoaka marina ka hampangirifiry
Saingy avy aminy ao ny foko no mitsiry ka…
Tsilo ve sa tsilon’ny raozy an-jaridaina?
Atolotro azy mihitsy ny tanako hosedraina
Fa aorian’izany dia m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/lany-solika | LANY SOLIKA | ikaloyna | JIRO LANY SOLIKA
ilay malalanao
lasana nandao
tsy nanao veloma
tsy niala tsiny
fa lany teo ny solika
ritra ny farihy
vaky koa ny siny
raraka ny rano
ianao anefa...
mandà ny hankahala
tsy mahay tsy ho tia
tsy mety manadino
fa mbola miandry foana
miandry dia miandry...
sady manantena
ny fony tsy ho anao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/ny-hasambarana | NY HASAMBARANA | harylovah | NY HASAMBARANA
Soa fa tsy eto ny farany akory
Na feno hasoparana aza ny tany
Misy mitsemboka nefa dia ory
Ao ireo miliba fa sambatra ihany
Moa tsy nifofotra nazoto niasa ?
Nanaja ny marina mba ho tahina
Misy nambinina fa tsy nikasa
F'ireo izay miezaka be fahoriana
Nivavaka ihany nanao asa soa
Nizara ny kely n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mampirafy | Mampirafy | raozigasy | Azafady ry malala, raha toa aho ka mampirafy
ka na an'ora na am-potoana, matetika ianao no mihafy
ilay izy moa tsy fidiny ahy, ary tsy fanahy iniako
fa mbola tsoriko ny marina, ianao foana hoy aho no tiako
Aza fondro ry fitiavako, raha mizara roa ny foko
fa tsy voafehiko mihitsy ilay mangala-tsokosoko
ilay miala ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iavotra-ramanampamonjy/ho-nofy | HO NOFY... | Iavotra RAMANAMPAMONJY | HO NOFY...
mba tiako hisambarana iny tokontan'iny
tiako hivalamparana ny fo sy faniriny
iriko mba ho ahy ny nofiny ho anao
rony vetson'ny fanahiny no tiako ho anatiko ao
dia tiako hisalovanana ny toerana fibodony
tiako ho somparana ny gadona firodony
iriko ho izaho no analoka ny anarany
ka ny fitia anatiny ao h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/avia-ianao | Avia ianao | raozigasy | Avia ianao Rasiza, fa hariva ity ny andro,
ajanony kely aloha izay tokona nahandro
fa avia eto am-pofoiko, isika hifankatia,
fa vita indray aloha ity herinandro ity
avia ianao moa haingana, aza mba malaina,
avia aty rahavako, avia moa fa ilaina
nandresy aho androany nilalao fanorona,
ka noho ny fifaliako, ianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/saranga | Saranga | raozigasy | Izaho ilay nohamboina tany am-pianarana, satria mavomavo
Izaho ilay novonoina, fanalana vokona, rehefa iny ianao tsy ravo
Izaho ilay bandy kely, antom-pifosana, eny an-tokontany
Izaho ilay tsy mba mamindro, rehefa misy raitra, ny raha miainga avy any
Misy ilay izaho, misy ilay ianao, saranga tsy mitovy
Ianao ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpisotrtoaka/ho-anao | Ho anao | mpisotrtoaka | Raha toa ianao ka ory
Dia tsy ilaina akory
Ny vavanao miteny
Ny masonao ihany
Dia ahalalako izany !
Raha toa ianao mijaly
Aoka tsy ny omaly
No entinao maneho
Fa asandrato hatrany
Ilay vavaka anikeheo !
Raha toa ianao ka resy
tsy ilaiko mandohalika
Fa atrakao ny loha
Izao rehetra izao
Tia anao avokoa !
IZ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.epsilon/aleoko | Aleoko…. | r.epsilon | Aleoko aloha mangina,
Miseho tsy be kirina !
Raha ny “ tsy miteny ”
No antoka hanekeny!
Aleoko aloha mandady,
Mamerina azafady!
Raha ny “ alan-tsiny ”
No fenitra takiany!
Aleoko aloha milefitra,
Mandositra any an’efitra!
Raha mbola tsy an’erany,
Ny tenin-katezerany!
Fa raha tsy mbola tsapany,
Ny ezakin’... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-ilay- | Tsy ilay ... | raozigasy | Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe : « Tena tiako »
Tsy ilay halatra no tiako, fa ilay siakasiaka keliny
tsy ilay ditra no ankafiziko, fa ilay taintaina kely aeliny
tsy ilay otam-baiboly, no ifikirako ny hamaminy
fa ireo endim-bitaka afenina, izay nozaraiko taminy
Tsy ilay mandainga ange no tsara, na ireo za... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/tantara-iny | TANTARA INY | KIRIAH | TANTARA INY ...
Tantara ireny! , Tantara hifangaro amin' ireo tantara hafa izay voatahiry ao an-tsaiko sy efa nampitsiky ny fahatsiarovako.
Hanana ny anjara toerany ao izy , hitondra fihetseham-po , dia hitarika ny fanahiko hanao tapody fohy any amin' ny lasa mba ahafahany mitsiahy amin' ny an-tsipirihany izay nisy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ianao-tsy-ho-irery | Ianao tsy ho irery | raozigasy | Tsy haiko ny mamorona, ary koa mandahatra ny tantaranao
tsy haiko akory aza, ireo nofinofy, sy vina tiana atao
tsy haiko ny ampitso, tianao hizorana, ka tsy azoko soratana
tsy haiko ny tanjonao, hoe aiza no mitsinjo, aiza no mamantana
fa ny azoko atao, dia ny mitondra tsiky, handravandravaka azy
ampiana sangin-ten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/efa-taona | Efa-taona | raozigasy | Efa-taona androany, ianao ry sombin'ny aiko
ka tsy fanahy intsony anio ny ahy no mibaiko
fa dera, laza, haja, fisaorana ny Ray
noho ity zaza mamy, izay nomeny anay
Efa-taona androany, ianao ry masisokeliko
na dia toy ny vao omaly, ilay hafaliana am-pelipeliko
isaorako i neny, nitondra, nanome
ity voalohan-tarana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andony/dimy-taona-sahady | DIMY TAONA SAHADY | andony | I-Efa dimy taona sahady
Ilay indray Alahady
Nitataovanay ny rahona
Dia ny rahon’ny fisaonana
II-Dada a! dimy taona anie izay
No nandaozanao anay
Ka i Mama samy irery
No niatrika ady teny.
III-Tena mafy taminay
Raha izay dimy taona izay
Fa ianao ilay nihantana
No nandao anay tsy tàna
IV-Natao ny fitsaboana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/io | Io | raozigasy | Io ilay lentika masoandro am-para-tazam-bodilanitra,
io ilay loko mena fify, sarin-dredam-po salanitra
io ilay tsiaro tanindrazana, asandratry ny baobab
io ilay tsindrona ao anaty, mangina feno tabataba
io ilay sarak'halavirana, anembonana mazàna
io ilay sintona mahery, te hamonjy ny tanàna
io ilay vaika feno ves... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa-1/niova-ilay-fitia- | NIOVA ILAY FITIA ! | Ntsoa | Niova tapoka teo
‘Lay dinan’ny fitiavanay
Nasinao fetra ka hatreto
Dia hoy ianao hoe: “Aok’izay”
Tsapako fa tena mafy
Ny hamoy ilay fitia
Hatao ahoana fa hihafy
Hamoifo dia sanatria
Ekeko aloha fa tsy anjara
Ny fiarahantsika roa
Aleo hivalona ho tantara
Fa lasa mankarary fo
Tsarovy koa anefa izao
Fa ny nam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mpanjono | Mpanjono | raozigasy | Fomba fijery ihany ny ahy fa tsy hoe natao hiadiana amin'ny mpanjono akory an !!
Nodinihiko ihany ilay hoe manjono
toa hakamoana fa tsy hoe honohono
fa miainga maraina, dia mitanina andro
mitazana kankana, mandany andro
Tsy hita mazava hoe fanatanjahana
na saina na vatana, hoe misy katsahana
fa toa resa-danakà s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/anaty-foko-ao | ANATY FOKO AO | KIRIAH | Ao anaty foko ao
Miovitrovitry ny zava-mankarary ny fanahiko
Ao anaty foko ao
Misy zava-tiako ambara saingy Tsy Efa holazaiko
Ao anaty foko ao
Misy entana mavesatra tsy zakan' ilay tompony
Ao anaty foko ao
Misy sary mitakosina ao anaty hoso-dokony
Ao anaty foko ao
Misy lay tandindon'iny manatsafa ny alaheloko
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rio/mahandrasa | Mahandrasa | Rio | Aza mbola kivy fa tsy mandry fahizay
na ao am-pasa-mangatsiaka
Raha ilay foko nanantena:ilay nikasa dia nikasa(...)
Raha inay ka tsy nitroatra,tamin'izay fotoana izay.
Aza mbola mitomany,fisarahana tanteraka
raha nimoana teo ny molotro!
Raha ilay vavaka fanaoko no nanjary nampirimiko,
Na tsy atoro f'hita maso iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/ny-orokao-mamy | Ny orokao mamy | Andrimaranitra | Raha vao inay ny molotrao milatsaka imolotro
Tsapako miainga ho azy mialoha aloha ny ilan-tongotro
Mamihina ahy mafy moa ny tananao sady manoroka mikipy
Izaho koa mankafy mitsetsitra ny lelanao malefaka manify.
Na tsy manoroka ahy aza ianao nefa
Ny tsikinao no tsapako mazana oroky ny fanahiko anatiko miantefa
Asa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iavotra-ramanampamonjy/lamoka | LAMOKA... | Iavotra RAMANAMPAMONJY | LAMOKA....
Lamoka valaka drodroka mihitsy
fa ady saritaka mafy firitsoka ny ali-mangitsy
anilan'ny tiana
tonga hafanana hifandrobana anaty fitia
lamoka valaka setrin'ny antso
nataony am-po tanatin'ny aizina toy ny famaizana
lalaom-pitia
no niarahan'ny sambatra ivelany misy
d'ireny no nitsiky rehefa nipatraka
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iavotra-ramanampamonjy/fetra | FETRA... | Iavotra RAMANAMPAMONJY | fetra...
ny nofin'ny omaly ra toa ho tontosa
mety ho fitiavana be miavosa
fa saingy ny rindrina tsy azo rodanina
reny ve sakana sa haro-fanina
mety ny jaly tahirin'ny fo no lamba irakofana
fa ny tomany asetriny koa tsy azo ivalozana
ra toa ny tiana hihantahantana no zary manaikitra
dia toa pahana foana ny lala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/topaze/dia-ho-maizina-ve-zany-lalako | Dia ho maizina ve zany lalako | Topaze | Takon-drahona mbola maraina
Ilay masoandro natao hanazava
Hanamaivana ny adin-tsaina
Hampahery ny fo lalan-dava
Dia ho maizina ve zany lalako
Ka ho zary eritreritra sisa
Ilay salovan'ny olo-malalako
Tsy hay vidiana na dia an-tapitrisa
Dia ho maizina ve ry malala
No hitetezako ny onja maria
Ka hamakivakiako ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/jaime-les-moches | J'AIME LES MOCHES | Miarantsoa Anicet | Tiako ianao satria mitovy aretina amiko
Tiako ianao satria adala ka dia mamiko
Tiako ianao satria mahantra mavomavo
Tiako ianao satria im-betsaka no lavo
Hajaiko ianao satria rovi-pitafiana
Tsy misy mba nitia: ratraina, ampijaliana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harifidy/ampitso-mihamazava | Ampitso mihamazava | Harifidy | Ampitso mihamazava no any fa tsy lainga :
Lanitra tomaratra mamafy ranon’ando
Tsikirity mihira ny haingo an-tendron-kazo
Sasan-doharano zatra ireo tsikovoka
Tsikin-jazavavy an-tratran’ny olon-tiany
Tanimbary akipaky ny herim-pon-dehilahy
Sy tanan-jazakely faly miarahaba
Ary ankamantatra manambina ny ory ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raha-izany-ary-no-izy | Raha izany ary no izy | raozigasy | Ho an'ireo mpanjono sy ny namany tsy nisalasala namosa-kevitra
Raha izany ary no izy, andao hifaninana
samy hanjono isika, am-pilaminana
ianareo milaza, hoe ny jono tsy kamo
fa fialana voly, sy fialana hamohamo
Ianareo mitokanà, ary koa miavaha
na fintana gasy, na « moulinet » vazaha
dia samia ianareo manazava,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iavotra-ramanampamonjy/hisolo-azy...hampanadino | HISOLO AZY...HAMPANADINO | Iavotra RAMANAMPAMONJY | HISOLO AZY...HAMPANADINO
Velomy ihany ny sioka ny manina
fa izy vao any ary ho tafajanona
tsy tsarony intsony ny lalana mody
manadino azy zao no toa fanafody
kaloy ihany ny rojo-dranomaso
fa mahery fitraotra ny onjan'ankaso
eto tsy any, ny any tsy eto
ka ho valaka foana raha hisentosento
marary anaty ny ngidin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/oram-batravatra | ORAM-BATRAVATRA | ikaloyna | ORAM-BATRAVATRA
O ! ry oram-baratra
Izato lozanao !
Mivatravatra fiavy
Mipaoka tsy an-kiera
Ny maitso izay nitsiry
Misetrasetra fatratra
Manao ranon-trambo
Manapaka tsy miantra
Ireo tetezan-kely
Fiampitan’ny kamboty
Izay lalovanao
Tsy afaka mifidy
Avy eo indray, totoranao antsanga
Ny voly mba voafafy
Nis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-r.-fidimanantsoa/rehefa-tena-tia | REHEFA TENA TIA | Ny R. FIDIMANANTSOA | Rehefa tia tokoa,
Tsy revon’asa loha
Fa hatrany miramirana,
Raha vao mahita monja ‘lay tiana an-kodimirana
Ny iza sy ny taiza: Tsy mihelina eo am-bava
Fa tsiky lalandava
No tazana eo imolotra
Mamadika ho tolotra
‘lay hetaheta anaty
Hanjary ho faniriana tsy ho lefy mandra-maty
Sy anoka fitia
manentohento ery
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ianao-ange-ry-nao | Ianao ange ry Nao | raozigasy | Ianao nge ry Nao, tsy maintsy vangiana
raha sendra ny loza, nidonam-pahoriana
ka aza ialana ilay fomban-drazana
na dia nandao ilay tanindrazana
Ianao nge ry Nao, tsy vazaha rahoviana
ka ilay mahamalagasy re, aza idifiana,
ny tontolonao fotsiny ange no tandrefana
ny nofonao raha hody, tsy maintsy hiankandrefana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haryssata/fisaorana | FISAORANA | HarysSata | Voa avy aiza àry hono ilay maty
ka nitsimoka, naniry,
zary lasa fihotazana?
Toa I dada sy I Neny no namboly
tato anaty, nitahiry
mba hitsimoka ho mavana!
Eny mety ho rafahalalàna no hikolo
ka nanondraka, nanjary
hidoroboka ho taratra;
Indraindray ihany koa, ny mahagaga
toa misosasosa ho azy
ka mameno sy mand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ny-seza-hitady-anao | Ny seza hitady anao | raozigasy | Ny seza hitady anao, fa ianao kosa hiandry
« Slogan » manara-penitra, navoakan'ilay zandry
raha resadresa-tseza, efa ela izy no « fan »
ketrika ilay mampifila, miala pà sy mody fanina
izay no lesom-baovao, kabary atao aloha
tsy atao « copier-coller », toy ilay teny Iavoloha
fa rindra maty paika, nampiasana ny voa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/tia | TIA | harylovah | TIA
Taitra aloha ianao
Tsy ampahitany tory
Manara-maso azy
Somary menamenatra
Avy eo mivazivazy...
Dia lasa ianao mitory
Fa tsiky indray mielatra
Sy maso sendra tazana
Saha iray mivelatra
Miandry hiantsapazana
No Hahatsapany koa
Fa izy koa mba tia
Miandry vetsom-po
Hivoady ilay sonia ...
Dia iny ianao ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dayaz/ka-politika | KARAZANA POLITIKA | Dayaz | Politika hitarika:
manaparitaka
masoandro mibaliaka
amin'ny fiainatsika
Politika mandinika:
tsy mitsahara miketrika
hoan'ireo madinika
izay tena somariaka
Politika mihetsika:
mitady tetika
izay tena mendrika
tsy hamparendrika
Politika majika:
mirima tsara bika
tsisy “noty” mipika
toy ny lamozika
Politik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/indraindray-koa- | Indraindray koa … | raozigasy | Ny foko izany tsy haiko, toa mangorangorana
sa ilay tselatselatra, miampy rotsak'orana ?
Ny saiko izany kivy, toa tsy mahatombina
sa ilay malok'andro no mampanjombonjombona ?
Ny aiko izany reraka, toa tena valabalaka
sa ilay volon-davenona lokon'ny habakabaka ?
Ny anatiko toa tsy haiko, fa feno fahabangana
sa il... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/izao-orantsika-izao | izao orantsika izao | dadatsima | izao orantsika izao
fotoana hamakianao
ity poety vao natao
no &ntsoina hoe izao.
misy any amin'izao
mandihy be sy mikorana.
Misy koa anefa ao
mangatsiaka tsy mafana.
misy olona mamono
misy olona mamelona
misy may efa voatono
fa fa voan'ny ambalavelona
misy tany mbola miady
ao koany vao mivady
nahazo zana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/falitokiniaina/ny-ray-akaiky-hatrany | NY RAY AKAIKY HATRANY | Falitokiniaina | Vao miposaka maraina izany masoandro,
Dia ilay tara-pahazavana no iny hampiray.
Dia irina hatrany mba ho soa ilay andro,
Hahazo ny anjara masoandro ny tsirairay.
Mandalo an-tsaina ireo lasanay toa vao omaly,
dia fitsimbinana avy amin-dRay akaiky izany.
Ny anio na ny ampitso dia ataovy toy ny omaly,
dia ny hampam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/tsy-misy-lazaina | TSY MISY LAZAINA | dadatsima | Tsy misy lazaina
fa maina..... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/falitokiniaina/mbola-lavitra-ny-dia- | MBOLA LAVITRA NY DIA ... | Falitokiniaina | Nangingina hatrany fa mbola lavitra ny dia
Tsy natao antsaina hoe mbola ho atsy na ho ari
Fa dia natao ihany toy ny andeha Fianarantsoa
Ary ny hitondra vokatra no natao tao an-doha
Lasa andro, lasa volana dia mandalo avokoa
Na ny akaiky na ny lavitra dia samy mirary soa
Ireo namana milaza fa hamarana @zay
misy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-izay-no-tanjona | Tsy izay no tanjona | raozigasy | Tsy hoe te handraraka ivy na koa mitady « waouh »
tsy hoe mba te halaza na hoe hizahozaho
tsy hoe mitady « j'aime » , na koa miandry « lol »
tsy hoe te hametra-kenda, sy hampiakatra ny « col »
tsy hoe fitia te hanakiana, na fitiavana hitsikera
tsy hoe nifoka miafina, na nisotro maro am-bera
tsy hoe te hanenji-dr... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.