url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/tiako-ianao-3
Tiako ianao
aladin
TIAKO IANAO N... , a ! tiako ianao, tsy mba fitia an-tendro molotra fa faniriana am-poko ao ny hiara dalana aminao . indro aho manontany tena harena ve no omena tsy ho porofo akory izany satria ho foana sy handalo ihany toky teny tsara lahatra toa ho mora lefy sy hitsahatra Ny sarobidy indrindra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/avia
Avia
Ny Kanto
Avia manantona, Fa efa nohadinoko Ireo lesoka rehetra Ary aza mba mifona Satria mahari-pery Ilay fitia nomaniko Hatrizay tsy misy fetra Ho anao tsy misy fetra Fa mangidy ny tantely Raha ianao no tsy eo. Mijanona ny fiainako Raha vao ilaozanao. Ny foko tsy ahy intsony Mamoa fitia tsy leo, Mitempo any amina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/isaorako-ise-ry-zandry-malala-ho-ani-sr-na-feno
Isaorako ise ry zandry malala! ho an'i sr na feno
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
ISAORAKO ISE RY ZANDRY MALALA “Ho an’i SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA na i FENO” Isaorako ise hisaorako ihany Na dia nahavita an’ireo teny ireo Fa any andro any volana ho tsapan’ise Izao teniko izao : Fantatro loatra fa na taiza na taiza no nisy ahy Dia ny anaran’ise no nisoratra teny nameno ny tsy ampy Nanintsy ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/malala-sarotra-hadinoina-1
Malala sarotra hadinoina
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
MALALA SAROTRA HADINOINA Injay fa miainga indray ny alahelo anao Mamofona tomany voarako-tsento lalina Fa toa an’iza loatra ianao ry olon’iny No dia namela tsiaro tsy azoko vonoina ! Na dia ezahako aza ny hanadino anao ! Injay fa mbola reko ilay angolanao Manonona ny anarako malefaka fanonja Fa toa ny an’iza lo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/fotoana-maminao
Fotoana maminao
aladin
Fotoana Maminao, tsy ho adinoko rahoviana izao fihaonatsika izao fa mitondra fifaliana ho ahy sy ho anao Nifampijery isika roa, samy tsy nifampiteny kanefa anie ny tao am-po toa efa hita soritra eny dia nakipiko ny masoko hankafizako anao fa izay tao an-tsaiko tao tsy voavinavinanao safononoka fit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/ilay-hafatro
Ilay hafatro
aladin
ILAY HAFATRO , Tsarovy izao fotoana izao izay no hafatro rahavako satria ho lavitra ahy ianao tsy ahita ny salovatavako: maro ekeko ny havoana, ho ela koa ny fotoana mety hanasaraka antsika kanefa toky no fihiniko fanantenana no sikiniko hisinda anie izany hatsiaka sy ny sedra iainantsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/malala-sarotra-hadinoina
Malala sarotra hadinoina
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
MALALA SAROTRA HADINOINA Injay fa miainga indray ny alahelo anao Mamofona tomany voarako-tsento lalina Fa toa an’iza loatra ianao ry olon’iny No dia namela tsiaro tsy azoko vonoina ! Na dia ezahako aza ny hanadino anao ! Injay fa mbola reko ilay angolanao Manonona ny anarako malefaka fanonja Fa toa ny an’iza lo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/izy-ilay-fitiavako
Izy ilay fitiavako
Ny Hasina Heritiana
Inona no mahasarika ahy aminy? tsy fantatro.... nefa aho tsy mahafoy azy; tsy afaka handao.... Nanandrana aho ny nitia; nitia olon-kafa; saingy tsy foiko izy; ny anarany tsy voafafa. Tsy misy izay tsy nataoko; hamonoako ilay fitia; fa na dia nanaiky aza ny saiko; ny foko kosa tsy nety fa mbola tia. Ny saiko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/tononkalo
Tononkalo
Toetra RAJA
Tiako hiraina Avokoa Izay miaina Sy mamoa, Ny androntsika Eto an-tany, Ny hatsiaka Androany, Ireo malaza An-gazety, Vazavaza Sy ny fety, Fo maloton- Jiolahy, Rotoroto Mampanahy, Mariazy Asabotsy, Vazivazy Tetsy "Anosy" ! ... Tantaraiko Anao ireny; Antenaiko Fa tsy teny Be mandalo Mampanoaka, F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/folo-aogositra
FOLO AOGOSITRA
Toetra RAJA
FOLO AOGOSITRA Nisy teny Ombieny ombieny Re nanako Izay nombako. Tsy somonga Fa nanonga Moramora Isan'ora Ilay feo Naneho Fahasahiana, Fitakiana Ny hanjerana Ny lalàm- Panorenana, Hamerenana Ny very Sy niery. Olona Mpitolona Maro be No nandeha Nitanjozotra, Nipololotra An-daharana. "Fiakarana"...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/ho-ampy-ve
Ho ampy ve ?
Lanto
Gaga ve ianao Raha namoaka hiaka Ilay fony voaratra ? Gaga raha nitraho Ny masony baliaka Ditsohinao tsy an-kiantra ? Gaga raha tsy tsiky No setrin\'ny hafaliana Hita tsy homby tratra Nentinao nilaza Fa tojo tena tiana ? Izy ange tsy zatra ! Tsiky ve dia ho ampy ?!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rapah/namana-4
Namana
rapah
Nanampankevitra aho anoratra Noho ny namana iihany Nanapan-kevitra aho anoratra ireo tsiky sy tomany Horeketiko ao dholo Na ny lasa na ny ho avy Ho vakian'ireo namana Na ny lahy na ny vavy Ireo namana rehetra Sy ireo akama marobe Izay niara nihira sy nifaly Nampitsiky nampihomehy Ny solon'anarana rehetra I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doum/raha-tsy-eo-anilanao
Raha tsy eo anilanao
doum
Amin'ny ora tsy hahitako anao no tena hahatsapako fa tiako ny eo anilanao Eo no mahasesehena ny fanirina tsy hay fefena ao am-po torovan-tsentoko Eo no mahababangona, maha hay sy maha foana an'izao tontolo izao Eo no tena hahatsiarovako fa ny fo torovan-drovako mikalo ny anaranao, ka na lavitra na akaiky ny fot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ari-torim-pifaliana
Ari-torim-pifaliana
Ny Kanto
Tsy natory aho alina, Ary tsy an-kijanona Ny filaharan’ireo nofy Nokasaiko ho anao, Hotanterahina izao F’efa nisy tokoa : Nofy mafy loha Nofy te hifoha Nofy avy ao am-po Nofy ho antsika roa Resin-tory ela tao Ilay nofy mafy loha Izao no mifoha. Tsy nahita tory aho satria Ianao nilaza koa fa tia. Nofenoim...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/sampanana
Sampanana
Lanto
Tsy hitomany akory aho Sanatria koa tsy hanozona Indrindra fa ny hoe hitalaho Tsy hiraika, tsy hihontsona. Tsy hisy teny iray mivaona Fa ny foko tena tony Izany akory tsy misaona Na hitana lonilony. Tsy hiova akory ny fiainako Tsy ho banga zavatra tsy ahy Ny zaridaina karakainako Tsy hety hanirian-tsiahy. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/iny-sento-lalina-iny
Iny sento lalina iny.
aladin
Iny sento lalina iny Niserana, nandalo ihany Kanefa soritr'irifiry Nanindrona tam-poko tany Iny sento lalina iny Aza amaivaninao Fa ny alaheloko novakiany Naborany anatrehanao Iny sento lalina iny No mba solon-dranomaso Izay tsy narotsako firy Na nahery aza ireny ankaso Iny sento lalina iny Nandalo nefa ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/tiako-ny-eo-anilanao
Tiako ny eo anilanao
ny eja
TIAKO NY EO ANILANAO Tsy mitady ny hoe: "tsy maintsy ho tiavinao" Tsy manantena koa ny hoe: "tsy maintsy ho ilay voafidinao", fa ny azoko ambara sy ny azoko lazaina: "tiako ny eo anilanao" saingy tsy azoko dradraina !. Tsy manantena na mikiry na dia tsapako indraindray, fa kihon-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rapah/izay-tovovavy-izay
izay tovovavy izay
rapah
Izay tovovavy izay Kanto sady miramirana I zay tovovavy izay Tsara Bka toa voahira Izay tovovavy izay Tsara endrika fitafy Izay tovovavy izay Tsotra tsy mba mampirafy Ny tarehy feno tsiky Toa falifaly lava Na malahelo aza izy Vetivety ddia misava Toa lavitra azy ny alahelo Toa lavitra azy zany jaly Izay t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/mihary
Mihary
Oully
Voadona indray aho fanindroany Ka nanery tena mba ho tony Teo am-pamakiana ity "filazana manjo" Fa nody ianao, lasa sahady hialoha Tsy rariny ! tsy nampoiziko ! Sao dia nofiko ! Nipody indray ireo ... Fiteny mampikomy Tsy mampitony Tsy tiako ho tononina intsony. Tsaroako ny fiarahana tany Tsiroanomandidy Ani...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajani/fitiavana-3
Fitiavana
hajani
Voankazo iray ao anaty ala, Sarotra azo nefa tsy manan-tsahala, Raha tsy mahay dia hidiran'ny kizo, Voky ihany fa maharary kibo. Afo iray manome hafanana, Mafana tokoa ka sarotra hialana, Afo mandoro mihatra aman'aina, Tandremo sao tsy zakan'ny saina. Andro tsara, masoandro mibaliaka, Mirana ny andro ka sambat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajani/lavitra-1
lavitra
hajani
Raha andao anao aho anio, Dia izao no tsarovy sy mba tadidio, Ny fitiavako anao lehibe tokoa, Ny tenako no lavitra, ankaiky anao ny fo. Ny lavitry ny maso hono, lavitry ny fo, Tsy marina izany raha ny antsika roa, Ka an inona hitranga, na inona hidona, Ny endrikao foana no indro tsaroana. Mamy tokoa ny eo anila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajani/fitiavana-4
Fitiavana
hajani
Voankazo iray ao anaty ala Sarotra azo nefa tsy manan-tsahala Raha tsy mahay dia hidiran'ny kizo Voky ihany fa maharary kibo Afo iray manome hafanana Mafana tokoa ka sarotra hialana Afo mandoro mihatra aman'aina Tandremo sao tsy zakan'ny saina Andro tsara, masoandro mibaliaka Mirana ny andro ka sambatra isika ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/raha-mba-fantatrao
Raha mba fantatrao ??
ny eja
RAHA MBA FANTATRAO , Niezaka aho hanafina Izay tempo an-tratrako ao, Fa loza angamba ny ahy Raha fantatrao tsinahy Ilay faniriana Anatiko ao mangina , Niezaka aho hitsiky Imolotra ihany Raha ampihomezinao Fa satriko mihitsy Ireo hanihany Tanteraka sy atao...! Raha mba fantatrao F'izaho dia tia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/halako
Halako
Oully
Mifona aho ry Ray, fa nanjary nankahala Tsy fahazarako izany, f'Ianao mahalala Saingy indray mandeha monja sy olona iray Nampigoaka mangidy sady tena nahamay Miera aho ry Ray, mba avela hankahala Ahafahako mandrava ireo tsiaro rehetra adala Sary e! tantara e! hira e! sy hoe zava-nokinasa Haleviko im-pito mandifo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/avy-aiza-ho-ani-rjo
Avy aiza
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
AVY AIZA Iny fiara niakatra iny No sambo iray nitondra antsika Ho amin’ny onjam –pisarahana Sedrain’ny alahelo mafy ! Toa satriko aza anie Sakaiza, Niara –nita teo isika Dia mba niara –naka bahana e ! Fa tsy izay no fandaharana !!! Banga anao aty ny fo Ka toa rovitra fitafy Mamakivaky ny ririnina. Lalàn’ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/tsy-nampoiziko
Tsy nampoiziko
Oully
Tsy nampoiziko ho ianao No nanondrika ahy hitomany Tsy nampoiziko ho ianao No nanitsaka ahy ho ambany Tsy nampoiziko ho ianao No nampamaizina ahy ny tany Tsy nampoiziko ho ianao Nefa tena ianao, ary ianao ihany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/fotoanany
Fotoanany
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
FOTOANANY Satriko hanoratra foana ho anao Isa –minitra; Fa mamiko loatra, Tsy lefitro mihitsy ny fiarahantsika Raha tsy tsiarovana foana ohatr’izao. Ianao any sasatra mipitrapitra, Izaho malahelo fa tsy afa – manoatra : Alavitra isika ! Satriko isika hiresaka foana ‘Reo “TSIAMBARATELO” Sy tafa andrianina, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/rehefa-tena-tia
Rehefa tena tia !
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
REHEFA TENA TIA Rehefa tena tia ? Mamentsoventso lava Ny alina hisava Ny andro ho maraina Mihantsy hafaliana Ho eo anilan’olon-tiana Mararirary saina Rehefa tena tia ? Manonofy paradisa Maniry tsy hita isa Ny zavatr’ho kasaina Maro ny mpifosa Nefa manan-trosa Amin’ny fitiavana Mampiverin-tsaina Ny olon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/iny
Iny...
Ny Kanto
Iny lanitra iny, Na dia komavoky ny ngidy, Sarotsarom-bahona Mainty ngizin’ny hirifiry Dia mbola mitahiry Ny botsiakan’ny hamaminy, Iny tànany iny, Na dia navela hiraviravy, Nilaozan’ny fisafony Maina sy mangovitra Dia mbola te-hanolotra, Hanohy ny lamakon’ Ny fitiavany tsy miato. Iny fony iny, Na dia vak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjy/fitia-1
Fitia
Vonjy
« Fitia » Teny mora nefa sarotra Tsy mora rafitra Ny hoe mitia Toa mora lazaina izany Nefa kosa tsy ny olona rehetra No afaka mitia Satria tsy voafetra Izany hoe tia Vonona ny hiaraka Na mafy na sarotra Ka tsy hifandao Satria tiako ianao Avy amin’ ny Ray Izany fitiavana izany Ka tsy ho lo mandrakizay Sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjy/anjarako
Anjarako
Vonjy
Anjarako Tsy hoe ny feonao na ny tsikinao No nisarika ny foko Fa lahatr’ Andriamanitra sy Hery avy any an-danitra Tsy hoe ny bikanao na ny teninao No nitiavako anao Fa ilay toetranao mambabo ny fanahy Mahafinaritra ahy Tsy noterena sanatria fa safidy tsotra izaho Ny nandray ny tananao mba hitantana ahy Safid...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/voi-mahatratra
Voi-mahatratra
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
VOI- MAHATRATRA Mba laviko kosa ny fanaratsiana Raha ny olona ambony No kolokoloina Satria manam –bola ! Dia ireny no asandratra hanjakazaka Hanosy ny tany ! Fa ny efa ambany, Soritana sady ozonina foana Ho natao hiaritra sy hampijaliana Mba laviko kosa ny fanambaniana Raha ny olona ambany No hamavomavoina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/bedao
Bedao
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
BEDAO Tsy takatro loatra Raha ohatra hoe: Te-hositranina, Tonga Mpitsabo; Fa asa aminao ! Kanefa lazaiko, Fa fanararaotra Izao fahazavana Miposaka izao ! Ianao reraka iny, Mba te –hotarihina ! Ianao nisarangotra ‘zay hisavilihana! Fa mainka ana; Ka izao no fotoana : Aza havotsitra Hiverina intsony Ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/atinny-haizina
Atin'ny haizina
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
ATIN’ NY AIZINA Ianao tsy niagarana Na izany aza, Fa efa anisan’izay nitoriana Ka tokony hino ! Tokony hanaraka izay notenenina ! Fa ny eto an –tany tsy maintsy hifarana. Ary tsy ianao io intsony mihitsy No tokony hanenina; Fa efa voalaza ! Renao ny akon’ny FAHAZAVANA, Efa milaza isan’andro, isan’andro Fa h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/firaisan-kina-1
Firaisan-kina
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Saika vitako ihany Ny hanakombom–bava Tsy hilaza n’inona n’inona ! Toa saika vitako aza Ny handrava an–kitsirano Ny fihavanantsika Hanjary ho tsinontsinona ; Hatramin’ny naneken’ Ny saiko manontolo Fa “TIA TENA IANAO!” Rehefa ianao no miady Dia mahay mandresy lahatra Fa tokony hampiana; Rehefa anay ny tol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/hankafia
Hankafia
HASINIONY
HANKAFIA ! Hankafia no fiononana Amerako ity foko adala Nitia fa saingy notakonana Ianao ninia tsy nahalala Nivehitra ahy ho toy ny aloka Hankafia no hany hery Azoko mba amikirana Leon’ny fangalapery Taminao mpandika vilana Ilay fitiavako ho nofy Saingy izaho anefa mino Fa azo atao ny manadino Kalo mosare...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/akonny-fahazavana
Akon'ny fahazavana
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
AKON’NY FAHAZAVANA Tsy fampiresahana ny eto an –tanàna Fa tena miako ny FAHAZAVANA, Jereo amin’izao, Vao firy taona ianareo no nitatatra Dia ‘zao sahady no vokatra niakatra, Mahafa –po ! Ireo no tanora naharesy ny sarotra Fa notahian’ny Tompo tsy toha ! Niady tsy tana; Ny olon –drehetra no tokony hiaiky Ary...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ela-be
Ela be
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
ELA BE Ny Mpino efa niondrika hatramin’ny ela Izy hatrizao, mbola iny manjeny ! Izy hatrizao mbola iny miserana ! Mandalo ny vavaky ny olona mino. Ny Mpino efa ho avotra tsisy tavela Izy hatrizao, mbola iny , mania ! Izy hatrizao, mbola mahatety ditra Mandalo ny anatra odiany hadino. Ny Mpino efa miezaka miant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/oay-taitra-be-zaho
Oay taitra be 'zaho!!!???
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Oay TAITRA BE ‘ZAHO Oay taitra be ‘zaho Fa hay ianao ihany Ity alohako ity Noheveriko ho iza ? Oadray mahagaga koa Fa hay ianao mihaingo Ny akanjo toy itony Tena mahavariana Han !!! Noheverinao ho iza aho? Mahavariana hoe? Tsy azoko fa ahoana ? Izao ary e ! Tsy haiko na mandroroa ny masoko Fa toa tavoaha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjy/dada-1
Dada
Vonjy
« Dada » Raha vao tonga ny andro Nahatongavako teto an-tany Dia efa teo ianao ry Dadako Nitombo taona aho Teo anilanao Raha maditra aho Nofaizinao Raha misy mahafaly Na mampahory Tokana ny teniko Aiza ny Dadako Toa hadino indraindray Fa ianao kay Mitady sy miafy Mba hahatafita ahy Tonga ilay andro Mang...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/rehefaveloma
Rehefa...veloma!
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
REHEFA … VELOMA Rehefa lasana aho ka tsy ho tazanao intsony ny salovan-tavako Fa tantanra sisa no ahitanao sy ahatsiarovanao ny anarako Efa niova ho vovon-tany sy nivadika ho lò ny tenako rehetra Fa ny tsiaro kosa, tsy ho faty na oviana fa tsy maintsy hitoetra ! Ny hafalian’ireo sakaizako sy ny hirahira mamy tamin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/averina-indray
Averina indray
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
AVERINA INDRAY Ianao mahalala na tsy hotantaraiko Ilay ora mangidy, Toa tranga tsy fino ! Leferina fotsiny ny adin’ny saiko, Terena hanadino, Zava –tsy zaka ! Ohary amin’ny hoe : Vony nitsimoka, namaky ravina, Nongotana faka, Dia taiza no farany ? Nandry tam –benja Amin’ny valan –katsiaka Fa narindrinao il...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/aza-2
Aza
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
AZA Atomory hitatatata Eo am – poto – tsofinao Ny horakoraky ny maro; Raha tsy mbola mahakivy Sy tsy manakotsako anao Ny fahoriana iondrehanay. Aza asiana voninkazo Novidiana lafo akory Ny arabenay mahantra, Sao hanjary fandatsàna ! Ary aza asiana maso Mitsiditsidika ny ory Raha tsy vokatry ny fo; Sao ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/fikiriko
Fikiriko
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
FIKIRIKO Efa lalanan niainako Ny nitanina ora lava Teo am – patan’ny fitia : Fa mafàna dia mafàna ! Efa lalana nodiaviko Ny nidraikodraiko mando Tamin’ny kisilasila, Fa malama dia malama ! Teo am – poto – tsofiko aza Ny hetahetanao hitoetra Hanohy indray ny fialan –tsasatra : Fa tamàna dia tamàna ! Izaho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hetraketraka-1
Hetraketraka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
HETRAKETRAKA Ny ahy ny fiainana Tsy resa-jaza Fa lalana matotra ; Izaho tsy misangy Ny aina ho lalaovina Na namako aza, Fa izay azon-tady Na mahery aza Tsy maintsy voafatotra! Ny ahy koa ny hevitro Ny ahy tsy mipody: ‘zay ny ahy dia izay ! Manomboka hafàna Ny antoko hifanandrina Ka mety ny mody, Sao ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/niserana
Niserana
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
NISERANA Raha mba tafahaona isika Nefa hisaraka sahady, Dia ny saiko manontolo No tereko indray hanaiky, Fa izay no fandaharana ! Ary isika anie ry Zandry Efa niezaka nikiry Hihaona sy hifampitady e ! Avy any Beronono aho No nihaza ilay tanànanao Na alavitra iny na akaiky ! Nihaona vetivety isika Dia hisar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/efa-mba-nanao-aho
Efa mba nanao aho !
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
EFA MBA NANAO AHO Efa mba nitantana aho tamin’iny lalana iny Efa mba nampandrosoina raha niendrika vahiny Efa mba nolavina raha namboraka fitia Efa mba nampanantena raha nanaiky ny hiara-dia Efa mba nikasa hanao izao rehetra izao Efa mba naniry izay hampiadana anao Efa mba nikely aina hanao izay hahasambatra Ef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/voi-mahatratra-1
Voi-mahatratra
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
VOI- MAHATRATRA Mba laviko kosa ny fanaratsiana Raha ny olona ambony No kolokoloina Satria manam –bola ! Dia ireny no asandratra hanjakazaka Hanosy ny tany ! Fa ny efa ambany, Soritana sady ozonina foana Ho natao hiaritra sy hampijaliana Mba laviko kosa ny fanambaniana Raha ny olona ambany No hamavomavoina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/singany-iray
Singany iray
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
SINGANY IRAY Tsy hoe antsafaina fa zavatra marina Raha hampitoviako aminao i Neninay Tsy dia sanatria hoe fitia angalarina Fa tena mitovy aminao izy izay : Rehefa koràna dia tena sariaka Toa tsy ho tezitra mandrakizay Rehefa misangy dia ohatry ny antsika : Mangina ny sasany, ‘ndao indray ny iray ! Rehefa mba f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ilay-toaka-nosotroiny
Ilay toaka nosotroiny
ny eja
ILAY TOAKA NOSOTROINY Fa toa hoe tsy nantenainy Ity figadon’ny adin-tsainy Ka notohofany tsy nihamba Zava-pisotro mety hiampanga Ny hakiviana feno fatrany Mba odin’ilay fo maratrany Satria tsy tantiny intsony….. ….. dia toaka no sotroiny. Nantenainy mihitsy angamba Fa hameno ilay banga Mangotana nozakainy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hetraketraka-2
Hetraketraka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
HETRAKETRAKA Ny ahy ny fiainana Tsy resa-jaza Fa lalana matotra ; Izaho tsy misangy Ny aina ho lalaovina Na namako aza, Fa izay azon-tady Na mahery aza Tsy maintsy voafatotra! Ny ahy koa ny hevitro Ny ahy tsy mipody: ‘zay ny ahy dia izay ! Manomboka hafàna Ny antoko hifanandrina Ka mety ny mody, Sao ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/sakanako
Sakanako
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
SAKANAKO Sakanako ise Satria mafy loatra Ny dinam –pitia tany Antananarivo : Nitia olon –tsotra ! Ny naman’ise indray aza no niaiky Ireo lokaloka efa zato sy arivo Nila handòtra; Izao ity vao sendra ny tsara sy manja Dia tapa –kevitra hiova fitàna; Ilay “ZANAK’OLONA” ary sasa-miandry Raiki –pitia koa ny eto ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/goraina
Goraina
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
GORAINA Ny hoe maha-MPINAMANA Akory tsy GADRA Ka natao hiaretana mandrakizay; Fa io indray SAFIDY ! Na tia aza ianao, Dia voatery mandrora Rehefa torahana, Kaopy mangidy!!! Ny hoe maha-MPINAMANA Dia tsisy sazy Ka natao hiforetana mandra-maraina Fa io lakalaka; Na tia aza ianao Dia tsy maintsy mitsoaka R...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/taratriniaina/kanto-hianao
Kanto hianao
taratriniaina
Kanto loatra hianao ry Tiako Tsy hoe tiako satria kanto Na hoe manome izay Iriako Tsy hoe koa ny volonao milanto No namabo ny fitiavako FA hianao manontolo Tsy anombinana ,tsy ampiana No tiako ho tiaviko Satria kanto hianao rahavako Ny masonao mijery Ny vavanao miteny Ny tarehinao indrindra Eny hatramin'ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/mandriana
Mandriana
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MANDRIANA Ny fiainan –drỳ Tsy mitovy amin’ny fiainana iainako atỳ Fa atao hoe : « morainy ! » Angamba ny alina ifametsoana No mba itovizana ! Fa ny eto an –tanàna : Tongotro sendra voafingana fotsiny Dia hita handihizana Olona sendra voadona tsy nahy Dia lasa vavàna . Ianao any tony fa izaho sakodiavatra: ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/vahatraina
Vahatr'aina
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
VAHATR’AINA Nangina tsy satry ny olon-drehetra Fa hitany ianao; Hitany tena nifofotra mafy Nanao vivery sy nisorona aina: Nikimpy nitolona. Tetsy ianao hita dia terỳ tazana: Nafatotrao tamin’ny fara-fitia Ilay hoe:TANINDRAZANA!!! Dia niaiky daholo ny mason’ny olona Nahita anao Fa hay mbola misy mikiry tokoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/vona-teti-harana-momba-ani-sarondrahona
Vona
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
VONA Any izay RAMBOLAMANANA Hoy ny sentosentoko eto Mieritreritra anareo Manontonona ny anarako Any izay RAMBOLAMANANA Hoy ireo namantsika maro Vao mahatazana anareo Miakatra amin’ilay fiakarako Toa tsikaritro aza i Zoky Manoritsoritra azy hoe: RAMBOLAMANANA daholo letsy Izy mianakavy a ! Fa miampy hoe: J...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/valin-kafatra
Valin-kafatra
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
"Ianao hazomanga natao hiankinana indray no nanjary bararata fandroahan -kisoa" R.JO VALIN-KAFATRA ( Ho an'i R.JO sy R.Justin) Tsy hoe niova aho Fa nisy tiako hatao; Asidra ihany ireny ! Ninia naditra aho Mba hampahendry anao: Hijoro tsy hivena; Ninia nivatravatra Mba hampanongo anao Hoe : hahatsiaro tena. F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/poeta-velon-tsento
Poeta velon-tsento
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
POETA VELON-TSENTO Mirediredy lava ity poety ity Raha jerena ny asa-sorany Nefa mba refeso hoe : hatraiza Raha ny lalana nizorany No notantarainy anao ! Mampahatsiahy ny andro lasa Notehirizin’ny omaly Raha nanomboka nitia Dia nahatsapa fa nijaly Velon-tsento tsotra izao! Mbola hisy hizoranao Ny sombin-dal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/meteza-1
Meteza
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
METEZA Ny fifankatiavantsika Raha ny amiko manokana Dia miaina an –kilahila ; Toy ny trano tsy mifototra Amin’ny marin –tany iray : Rindrina mivaralila ! Na fiara handalo tevana Sy mizotra amoron –kady, Entina Mpamily roa; Valalanina aminao aho Fa mifankatia isika Nefa toa kitoatoa. Maminao tokoa ny any ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/malalaka
Malalaka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MALALAKA Ny fihavanantsika Efa resak’adala Tsy afaka handeha Amin’ny laoniny intsony Fa mondro tanteraka ! Ka tsotra ny teniko : Izaho tsy voahozona ho mpankahala ! Izaho tsy azon-doza ho tia lonilony ! Fa ianao mankahàtra Mba tsy lefitro kosa Ny hanaiky ny hoe: Avela ho momba Sy ho mosarena Kanefa dia Ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/porofo-sady-ho-fahatsiarovako-ilay-beronono-tananako
Porofo ( sady ho fahatsiarovako ilay beronono tanànako
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
POROFO ( Ho setrin’ny Tononkalo nosoratan’i Dadan’i FI ho ahy hoe : « DOSSIER BERONONO » ) Matimatiny ihany ise raha nisaina vetivety Hoe : « Ilay Poeta iny, Asavaonan –drehareha hiedinedina an –gazety, Ka hibahana Onjam –peo Eo am –pitsenàna ny alina, Ny hodokafana no tiany ! » Fa jereo ny fifaliany : « Mati...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/raosijamba
Raosijamba
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
RAOSIJAMBA Arahina fotsiny ny ara –dalàna Fa tsy hita izy ity, Raharaha manahira ! Ianao FOKONOLONA indray no mangina Fa sendra ny tampoka: Mihinan-tsy fidiny eto an –tanàna Fa sendra izay nifin’amboakely tiana, Ka tsy afa – manoatra, Tsy voky fa ampoka ! Manjohy lalan –tsokina nanani –bato Fa tsisy hamikira...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hojinjaina
Hojinjaina
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
HOJINJAINA Manomboka izao, Dia tsisy hanafenana isika rehetra Fa samy ilazàna : ‘ty tany eto ity, Tsy azo honenana mandrakizay Fa taona voafetra; Ka samy hanatrika ilay FITSARANA Na iza na iza. Ohatra ireto : Raha toa fahotana No natsanganao, Ho Tompo ivavahana; Izao dia izao ihany Dia mihomàna Fa ao ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/nivotsitra-1
Nivotsitra
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
NIVOTSITRA Adinonao daholo Ny teny ieranantsika Nilàna tany Iarivo ; Adinonao tanteraka ! Nilokaloka isika Fa na alavitra aza Hizotra tsy mba reraka, Niaraka nanaiky Fa hilaoka ranovola, Hiaraka hisariaka. Lokalokanao Ny hahita ilay tanànako ! Hetahetanao Ny hiresaka amin’ny namako ! Toa tsy andrinao aza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/taratriniaina/ry-taniko-2
Ry taniko
taratriniaina
Any hianao ry taniko Any ambadiky ny takona Any ankoatr'ireo havoana Ka toa lavitry ny tenako Na dia izany aza e DIa ao an'eritreritro ao Ato am-poko lalandava Ireo kanto izay raketinao Ary koa antenaiko Fa na ho ela na ho haingana Ireo sary an'eritreritro Sy ireo vetsovetsom-poko Dia ho tanteraka tokoa , ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/inona-ary
Inona ary
raozigasy
Inona ary, No kabary , Raha handao , Handeha ianao ? Ilay fotoana fohy Nirina mba hitohy Ilay fihaonam-betivety Toa tapitra ny fety Ilay tantantantanao Tarangana izy izao Ilay vezy etsy eroa Tsy hisy hanindroa Ilay antsoantsonao Hangina sy handao Ilay tosy sy Angola Rava teo ny dola Sisa hotsarovako Te...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/alahelo-tsy-maty
Alahelo tsy maty
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
ALAHELO TSY MATY (Ho an’I Sarondrahona R) Ninia nitangorona an-danitra ambony Lay rahona fotsy ka toa niova loko Fa voadona mafy ny ratran’ny fony Ka nandatsa-drà mba handena ny tany Ninia nitamberina tao am-po daholo Ny omaly rehetran’ny fotoana niarahana Afoy izy ireny avela ho bobongolo Na dia nampalahelo s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/handeha-ianao
Handeha ianao
raozigasy
Handeha ianao, Sady tsy azoko tazonina No tsy azoko arahina Handao ianao Hamela nofinofy mamy Inoako hanjohy antsika hatrany Hody ianao Hody any an-tanindrazana Hamela ahy hanidy vazana Raha dila ianao Dia mety hoe rahoviana indray Ny tanantsika no hifandray ? Ho any ianao Na dia nety taminao ”fotoana fo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/orokao
Orokao
raozigasy
Oroka tokana Ahy manokana Ary ts’isy oroka tiako hoatr’izany Satria orokao Satria ianao No hany olona tiako hanome ahy izany Oroka fy Oro-pitia Nifanaovam-beloma sy nisarahana Oroka fohy Mitarika rohy Satria teteza-mitan’ilay fiarahana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/taratriniaina/tsy-kivy-e
Tsy kivy e
taratriniaina
Mafy izany lavi-kavana Toa mangidy ny lavit'olon-tiana Fa toa tsy misy iantsapazana Ary tsy misy ifikirana Fa tebiteby lalandava Sorisory ,hakaviana Rahoviana re vao ho miran-tava? Ka ho lavi-pahoriana? Ny fonenana nilaozana, Ireo malala nohadinoina, Ireo sakaiza dia nafoy Fa ny- ho avy no koloina Tsy ho ki...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/fitiavana-mpamitaka
Fitiavana mpamitaka
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
FITIAVANA MPAMITAKA Tontolo maitso mavana no manodidina ahy Ka nitondra ny eritreritro hiantefa taminao Nandeha mangina ny vinanim-bentsoventso Hisaina indray ny ampitso sy izay ho solonao Hampikombona ny ratrako ! Manontany tena aho hoe : nahoana re no nisy ianao ? Ka nifanindran-dalana tamiko teny andalan’ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/veloma
Veloma
raozigasy
… Oroka malefaka, tanaty fisarahana oroka voalohany, namarana fiarahana oroka Fitia, « veloma » nifanaovana oroka nangina, feno fifandaozana izay no sarisary, tazana ivelany, fa ny tao anaty, jaly tsy anerany fanontaniana maro, sady ts’isy valiny, fa nanao ahoana re ! izany ve no rariny ! dia lasa ianao nandeha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsirison-barnal/mitoera-fahafahana
Mitoera fahafahana
Tsirison Barnal
Efa ela izay no naniriany Tsy fidiny ny fifaliany Ambony hazo tsy misy ravina Nandalo teto avokoa Ny tsindry hazo lena Ny lena ambony hazo Hazo fahefana Nandrendrika an-drano Ka ho anareo izay mivalo Ho anareo izay mba manana Aza avela ho sempotra Ny fahafahana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/goraina-1
Goraina
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
GORAINA Ny hoe maha-MPINAMANA Akory tsy GADRA Ka natao hiaretana mandrakizay; Fa io indray SAFIDY ! Na tia aza ianao, Dia voatery mandrora Rehefa torahana, Kaopy mangidy!!! Ny hoe maha-MPINAMANA Dia tsisy sazy Ka natao hiforetana mandra-maraina Fa io lakalaka; Na tia aza ianao Dia tsy maintsy mitsoaka R...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/tsy-maintsy
Tsy maintsy
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TSY MAINTSY Raha lasa aho kanefa Ianao mbola eto, Dia tsotra ny teniko Ho anao Sakaiza : Aza tomany ! Aza misento Fa ianao tsy hohadinoiko Na aiza na aiza ! Raha lasa aho kanefa Ianao mitioetra, Da ity ny ahy ny toky K aza hariana : Mhaiza mitraka ! Ario ny anjoretra ! Fa izaho tsy manary Na oviana na o...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hetraketraka-3
Hetraketraka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
HETRAKETRAKA Ny ahy ny fiainana Tsy resa-jaza Fa lalana matotra ; Izaho tsy misangy Ny aina ho lalaovina Na namako aza, Fa izay azon-tady Na mahery aza Tsy maintsy voafatotra! Ny ahy koa ny hevitro Ny ahy tsy mipody: ‘zay ny ahy dia izay ! Manomboka hafàna Ny antoko hifanandrina Ka mety ny mody, Sao ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/misavoana-ho-valinny-tononkaloni-malalason-hoe-fahotana-ve-ny-ditra
Misavoana ( ho valin'ny tononkalon'i malalason hoe : "fahotana ve ny ditra ?"
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TSY MIOVA ( Valin’ny tononkalon’i R.JO hoe : “FAHOTANA VE NY DITRA ?”) Misavoana loatra ny hevitr’ise Ka very ny marina ! Ny zava – drehetra, Niaraha – nahita teto -tanàna Niaraha – nandre ! Fa ny olon –drehetra dia samy nozarina Hanara –dalàna. Nefa Sakaiza , Dia gaga aho raha hoe Mety amintsika ny hamita ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/sasiny-ho-ani-malalason-na-rjo
Sasiny
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
SASINY ( Ho an’i malalason na R.JO) Raha vitan’ise ny handatsa an’i Zandry Dia asan’ise, fa an’ise ny safidy An’iza ny saina ? – An’iza ny sandry ? Iza no tokony hamoka ny didy ? Ny ahy ny fihavanana tsy nandeferako Na iza na iza nihavana tamiko Ny namana ho ahy, toy ny zaza naterako Ny taninareo toy ny any...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/kajy
Kajy
raozigasy
. . . Diso ve ny kajiko ? . . . Raha toa ny taonanao Ilay tamin’ny taona firy Sy ny halavanao Iray metatra sy firy . . . No valiny mba azoko ? . . . . . . Diso ve ny kajiko ? . . . Raha toa fifandrifiana Amin’ny toetranao Tsy alana tsy ampiana Fa tonga dia ianao . . . No valiny mba azoko ? . . . . . . Diso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ianao-malalako
Ianao malalako
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
IANAO MALALAKO Matoa entiko eto izao resaka izao Dia sanatria, tsy hoe kilalao Fa amin’ny fo vonon –kitia Ary amin’ny saina maniry hiara – dia Ianao izao manahy izay tena ato an –tsaiko Tsy mety mino izay teny lazaiko Ary matahotra ny hanakaiky Ka misalsala raha tokony hanaiky Amiko anefa ny tena fitiavana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/serana-2
Serana
raozigasy
Fandalovanao niserana tanaty andro vitsy monja No nanaitra indray ny foko ka ny fitiavako nanonja Lohataona ve ny andro, sa ny volam-penomanana No nitondra hazavana, k’ilay aizina nifarana Ny hafanan’ny andro ve ? sa ny fandaozan’ny hatsiaka No nampihaona nampiray, nampifanantona antsika ! Sa ianao nahatsiaro ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/senton-jazavavy
Senton-jazavavy
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Izay rehetra ahiko Sy hany nananako Eny, hatramin'ny Fahadiovako Dia nafoiko noho ianao Ny esoeso sy ny latsa Ny tondro-molotry ny tsy tia No zary hazo fijaliako Dia nozakaiko noho ianao Ka asanao raha sahy Sahy hanadino, Ny mamy niarahana Fa ianao dia tsy ho voafafa Ato am-poko mandra-maty
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samymalagasy-na-a-narindra/tanindrazana-1
Tanindrazana
samymalagasy na A. narindra
Io lay madagasikara soa Zay nahitana ny mamy sy ny mangidy Tao ny fampijaliana sy fampaoriana Zay nafaty olona maro tokoa Io lay tanindrazantsika Ka kolokoloy tsara Satria io no lovaintsika sy ny taranantsika Eny mantsy raha andeha any amin-tany hafa dia voaraoka sy voatositosika ka tsy aleo ihany ve eto an-TA...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/matokia-valin-teny-ho-ani-tsihoarana
Matokia
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MATOKIA ( valin-teny ho an’i TSIHOARANA) Izaho efa ho lasa tsy hihemottra intsony Fa tonga ny ora ! Io efa fev lana tonga hamony Ka sarotra hatsora Hipody ho matsatso ! Handeha aho ry zandry Fa efa fotoana Tsy azoko hakatso : Kanefa tsariovy ! Ny tazny no miova Fa tsy ny fanahy nananako akory; Tsy dia ny v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samymalagasy-na-a-narindra/tanindrazana
Tanindrazana
samymalagasy na A. narindra
Io lay madagasikara soa Zay nahitana ny mamy sy ny mangidy Tao ny fampijaliana sy fampaoriana Zay nafaty olona maro tokoa Io lay tanindrazantsika Ka kolokoloy tsara Satria io no lovaintsika sy ny taranantsika Eny mantsy raha andeha any amin-tany hafa dia voaraoka sy voatositosika ka tsy aleo ihany ve eto an-TA...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/sitraponareo
Sitraponareo
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
SITRAPONAREO Honjohonjon’izy irery No miotra sy mitolona Hanarenany ny fiainany, Voa-dinitra tanteraka. Fa nailikao izy Mba hamantatra izay Rainy Any an-tanin’olona any... Tsy fantatrao tokoa mantsy Ny ngidim –piainana zakainy, Ka mirehareha ianao, Toy ny Reny tsy niteraka ! Nefa avadiho ny lela Ka todiho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kotso/raha-7
Raha....
kotso
Raha toa ka misy tsiahy, Mitamberina tsy nahy. Noho ny sompatra sy akaso Ka mahatonga ranomaso Dia avelao ihany hitraho Aza tànana akory Hanakotsa ny ondanao 'Reo ranomaso anaty tory Raha toa ka mitamberina Ny omaly efa levona Na 'reo diary efa kila Sy 'reo làsana efa dila Dia avelao handeha ihany Aza tàna...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/sambatra-ianareo-tantaraini-raivo-kamboty
Sambatra ianareo
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Mihiboka sary kizo ihany ny tanànanay raha oharina amin’ny maha – renivohitra azy. Tanàna dobo–drano, tanàna mihoso –potaka, tanàna mihidy e !- Raha miresaka hoe ANDRAVOAHANGY aho, dia be mpahalala fa “Tanàna tsy diavin’ny olona ambony ny any aminay - Ny any amin- dry RAIVO mantsy e! Ho anao mpizaha, ho anao liam –ba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ilaina-ianao
Ilaina ianao
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
ILAINA IANAO Raha toa ka ianao No fanoitra hampilamina Ity tany ity, Ka mety ho hery; Maninona moa Raha samy mioitra Hiombom-pitia Hiady amin’ny fiainana ? Dieny androany, Ka velona ianao ! Dia aza anaovana Fangalam –piery ‘Zay tokony hisainana. Ka mijoroa ! Fa ianao raha vao dify Tsy hita eto fotsiny; ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/maditra
Maditra
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MADITRA Voafitako ihany ianao Fa izaho anie maditra e! Norobaiko daholo Ny ny olona rehetra Nitsiky ahy nandalo ! Nalaiko ho sakaiza Izay nirehareha Saika hamandrika ahy Sy nihevitra ho fahavalo; Azoko tanteraka ! Na iza n’iza izy No nidiridiry, N’iza n’iza koa No nipitrapitra; Dia tokan-trano izao, Mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kotso/raha-6
Raha....
kotso
Raha toa ka misy tsiahy, Mitamberina tsy nahy. Noho ny sompatra sy akaso Ka mahatonga ranomaso Dia avelao ihany hitraho Aza tànana akory Hanakotsa ny ondanao 'Reo ranomaso anaty tory Raha toa ka mitamberina Ny omaly efa levona Na 'reo diary efa kila Sy 'reo làsana efa dila Dia avelao handeha ihany Aza tàna...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/triatra-ho-anay
Triatra
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TRIATRA Fahendrena ihany angamba Ny milaza tsotra hoe : « Efa tena niady isika » Fahendren’ny mody adala ! Ny olona rehetra anie Tsisy tompon –trano nihono e! Tsisy izay tsy nahalala; Ary tsisy tsy variana!? Teto ivelany iny vita, Nikirizana ho tontosa Ary tena nikimpiana; Fa ny tany anaty fo Latsain’ny r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arcane/raha-5
Raha...
arcane
Raha... Raha hitako izy androany... dia hambarako aminy Nefa raha hiteny, ndrao lazainy adala ? Sa hanoratra any ? Mampisalasala... Aleo Nofy ihany no hiantsoko ny anarany... Tazany aho omaly, sendra tsy nijery Tsiky no navaly ny kopakopan-tanany, Toa manao veloma izato fiarahabany Mihalavitra ahy hatrany, indr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/ngeroka
Ngeroka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
NGEROKA Boboka hatramin’ny tsiky sakaiza Rehefa mandò indray ny rahona mainty Ka kotsa ny fo ! Arimorimon –tadio indray miserana Ny angolangola sy ny hanitra anaty Nampidoroboka ny andro taloha. Refirefeso ny hatraiza sy hatraiza Lany nodiavina teto hatrizay; Lanin’ny kalo ! Tsakotsakoy koa ny dina rehetra N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/antsonny-fitia
Antson'ny fitia
Ny Kanto
Aza mankaty Fa sao dia … Hifoha ilay fahiny Fahatsiarovam-pifaliana Fahazazan’ny fitia Tsy mba nanan-tsiny Tongava ihany anefa Ho tanora hahay hilefa Tsy ho tratran’ny taloha Aza mankaty Fa sao dia … Ho babo ny fanahy Efa nanaiky ny hisafidy Lalan-kafa sarobidy Tsy hohambakain’ny lasa Tongava ihany anefa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/mamo
Mamo
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MAMO Tsy fantatro intsony Fa mamo aho izao ! Mamon’ny fiainako napetrakao ! Mamon’ny ho aviko narodanao ! Mamo ! mamo ! Mamo tanteraka; Mamon’Ambato tsy nisy niteraka ! Tsy tsapako intsony Fa leo aho izao ! Leon’ny fiainako nadabokao ! Leon’ny manonona ny anaranao ! Leo ! Leo ! Leon’ny safoaka ! Leon’ny b...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/tandrify-sy-sahaza
Tandrify sy sahaza
Oully
Misitery amiko ny fisianao any ho any Vahotra ny saiko hamaritra avy hatrany Ny aminao: Anarana, Fihaviana, Anton’asa Ry silaka famenoko, voatendry sy voakasa Angamba efa nifanatri-tava Na vao sambany hihaona Fa ny azo antoka mazava Samy miandry ilay fotoana Ho iray hono Feno hevitra mifono : ... ny finoanao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/andrini-neny
Andrin'i neny
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
ANDRIN’I NENY Raha samy nangina Ny olon –drehetra Dia izaho kosa hiteny ! Fa alavitra loatra Ny lohasaha sy havoana Nodiavin’i Neny, Ny ngidy niaretany ! Ka angamba ny feoko Mba miarahaba No fahafinaretany Fa io moa i Neny Ka izao no lazaiko: Tsy hary hahafeno Ny haharavo anao Izay kely ato an –tsaiko, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/raha-ho-azy
Raha ho azy
Tsiky dia ampy
Raha toa ho azy ianao Hahavita hanadino ilay antsika vao niandoha Tsy maninona lazao Fa izaho dia mbola mino Ilay masoandro mbola hifoha Raha toa ho any ianao Fa any misy azo omena Ahafahanao miaina Tsy manahy fa izaho Miandry sady manantena Mbola ho avy ny maraina Raha toa anefa ianao Sendra azy tsy nambi...