url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanantsoa-ricardo/fahantrana
Fahantrana
RAMANANTSOA Ricardo
FAHANTRANA Fiainan-tsarotra tsy mora setraina Fa aizimpito no miseo Ka tsy mba misy izay maraina Fa fijaliana mankaleo Izany foana no mba misy Ka alahelo foana foana Izay fifaliana dia indrisy Fa fisaonana mandava-taona Fa fahoriana lava izao No mba misi eto an-tany Ka tebiteby mankalao Izay jerena dia tom...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/fanatitra
Fanatitra
Miarantsoa Anicet
FANATITRA Hasiako voninkazo ny tratranao mitony . Mavana ny raviny fa mena koa ny vony. Moana anefa ianao tsy afaka hisaotra. Te hanomboloa koa fa tsy afaka hanoatra. Handona eto ihany ny ratsandrantsan- tanako . Tsiaro dia mamangy . Mamangy anao fananako. Tomany foana sisa no fibada ianteherana , Dia kalo ho a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/malagasy
malagasy
Miarantsoa Anicet
MALAGASY Ny kely am- pelan- tanako , 'Lay sisa mba fananako, Noritinao tsy nisy Ka fotaka eny indrisy No sisa mba miseho Hatreo am- parany eo . Pempoy io fa mivoitra. Raha vao mitady hipoitra dia alentika any am- parany . Lotoy koa ny tantarany. Tampeno teo ny molony ; Ny aina asaivo atolony. Ny rahala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/isaky-ny-misy-tia
Isaky ny misy tia
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
ISAKY NY MISY TIA Isaky ny misy tia Dia izao no teny ambarany Mahate-ho tia ianao, Ary koa mahafatifaty Toa misarina anjely Raha tsy izany indray Dia lazainy tsotra izao Fa tena tiany ianao Ataony ravaky ny akaniny Ventesiny eo daholo Ny sarin-teny rehetra Mba hambabony anao Nefa ao ambadika ao Ny fandrik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ravina-nitsiry
Ravina nitsiry
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
RAVINA NITSIRY Dia niainga indray ny peniko Hanoratra ho anao Hanambara hafaliana Hampitsiry indray Ny ravina efa nihitsana ! Hampatsahiviko eto Ilay endrikao nasiaka Raha nanantona aho Mba hitafa aminao Somary sakodiavatra ! Nanoman-tena ho matotra Raha nanatrika anao Ny fietsika amin’izany Tsy hay lazai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/dada-miatrika-fiainana
Dada miatrika fiainana
Ny zo Rado Herizo
Miezaka hiasa na dia efa marary vao mangiran-dratsy dia ef' antanimbary Tsy mba handrenesana izay fitarainana Izany no Dada miatrika fiainana Miainga maraina vao maneno akoho Mahalana izy vao mba mody aloha Mampiasa herin-tsandry, mampiasa fisainana Izany no Dada miatrika fiainana Mioitra, milofo hitondra hafal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/detekitiva-el-fadar/tsy-dikany
Tsy dikany
Detekitiva El - FADAR
Tsy izao rehetra izao Nomety aminao Fa izao ! tsy dikany ianao raha Izany ny fihevitrao Tsy ny harena no entina Fa ny fahendrena Vetesina Fa izao tano ny anao dia olom-banona ianao Amin'ny zavatra izay atao Fa tsy dikany ianao Raha manaraka izao tontolo izao Ka tsy mijery ny hafa Fa ny tenanao No mbanjini...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/tsaroako-1
Tsaroako
Ny zo Rado Herizo
Isaky ny mitopa midoboka ny onja Dia injany tsaroako midoboka koa ilay foko toa feno sy tena mafonja Zay singan'irery fa nisara-droa Tsaroako ilay masonao nanganohano Ilay tsiky niserana anaty tomany mahita ity fasika vonton'ny rano Nahoana no sompatra ianao re ry tany Tsaroako ilay feonao nibitsika mora nilaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/malala-2
Malala
Miarantsoa Anicet
MALALA Malala... Teny izany ! Tsy hita hopolopolorina Izay hevitra nombàny. Toa teny maromaro no natambatra ho teny. Malala... Toa nofy izany Nefa nofo. Toa nofo ihany Nefa nofy. Toa saina Toa tsy aina Toa gasy , toa vazaha Nefa gasy tahaka ahy . Toa haiko toa tsy haiko Nefa aiko nolalaiko . Toa anjely...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/mitady-teny
Mitady teny
Miarantsoa Anicet
Mitady teny aho Teny feno ratra Amonoana ny tsiaro Alahelo tsy omby tratra Sy ny hadalana maro Mitady ny molotrao Hiteny handrava nofy Handavoko ny avelo Ambiroa tsy vory nofo Tato an- tsaiko velovelo. Mitady teny mihintsy aho Teny e ! Teny mandratra .... Teny mapatahotra Sy mampihorohoro Momba ny fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaka/sitraponiza
Sitrapon'iza?
Njaka
SITRAPON'IZA? (Atolotro an'i E...sy W...vao nanao Avortement 2mois izay) Mampalahelo ?;;;;; Miady be ny saina , mangoraka hoatr'izany Inona ny atao , aleo aho hitomany Hitomany samirery , misaona anao mangina Satria nafoiko ianao , ho toy ny rano sina Sitrapoko anefa izany, eny sitrapontsika roa No namadika ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/sambatra
Sambatra
Ny Kanto
Ny maso jamban'ny fitia tsy mba mahita fery sy ny jaly izay mamely, fa iaretany ireny, na dia mampirediredy hoe sambatra izy raha niteny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ny-eny-sy-ny-tsia
Ny eny sy ny tsia
Ny Kanto
Ny Teny ENY sa moa TSIA No tena irinao ? ENY mbola tia, hiaritra hizara Fitia tsy ho anao Irery, sa TSIA tsy tia intsony Kapoky ny fony Hamono ny avelo sy hanala Ny mangina Hitondra tabataba amin'ny Tontolonao sina? Anoloanao ny ENY sy ny TSIA Iza no tianao? F'izaho raha mbola tia Amin'ny toeranao Dia ale...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/fahoriana-mamy
Fahoriana mamy
Miarantsoa Anicet
FAHORIANA MAMY Ny masoko mikimpy Sy tanako mangovitra... tsapanao ve 'zany ? Ny masoko mitsiky Sy tanako mandrovitra Ny foko mitomany..... Mba tsapanao ve 'zany ? Nezahiko nariana Ny vetso anao mangina. Tereko notoniana 'Lay kalon'ny tsy tiana , Tsy mety fa mimpody Sy tsy sitram-panafody . Mandrakotra ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ilay-sarobidiko
Ilay sarobidiko
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
ILAY SAROBIDIKO Any ianao izay ry aiko F’izaho aty mararirary Miezaka, mandamina ny saiko Izay mialin’adin-tsaina Misaina ireto zana-tsika Hendrikely sy sariaka Nanahaka ny toetranao Tso-piaina lalandava Tsy mba nahitako soritra Na hakiviana kely akory Teo an-tendron-tavanao Fa Angoty feno hanta no Niatreh...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/omgui/aleo-hifarana-hatany
Aleo hifarana hatany
omgui
Aleo hifarana hatreo Ireo teny tambitamby sy ireo teny mamy Fa teny hetina maneho Ilay fitiavanao any ho any Ny teninao dia efa mankaleo Tsy tiako ho henoina intsony Aleo hifarana hatreo Ilay fitiavako hadinoy Averiko mba malemy paika ianao Kay saka mafafin-kiho Ilay anarako any aminao Aza atao anaty lisitra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ed-andriamalala/menarana
Menarana
E.D. ANDRIAMALALA
Noheveriko efa maty, Sy voalevona ato anaty, Ilay fitiavana Mahantrako... Ka ho potika sy rotika, Ny tsiry nitahiry Ny ainy Tato an-tratrako Hay tsy levona fa torana, Ilay sisa nanamborana... Eny, sitrana ny ratrany Fa ilay fitia tsy nisy fatrany... (in Menarana )
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/adala-taminao
Adala taminao
Ny zo Rado Herizo
Adala hono aho Satria nitia anao angamba Ka zary toa adinoko ny manodidina ahy Kanefa dia tsaroako fa fenonao ilay banga Soa ihany aho fa nitia anao. Adala hono aho adala noho ianao Kanefa dia lazaiko fa ravo ny fanahiko milamina ny saiko Lasa ny ahiahiko Soa ihany aho fa nitia anao Mety adala ihany aho An...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/so/ho-anao-ry-tiako
Ho anao ry tiako
So
HO ANAO RY TIAKO ianao ilay mampijaly mankarary no tô vô maika ilaina sy tsaron'ny aina ianao ilay toy ny lolo mitety ny tontolo no indro irina ho eo antratra sy mba koa hampitraka meteza re ry tiako mba hampangina ahy hanala ny tomany sy ireo ahiahy fa efa tiana ianao ka sarotra ahy ny handao hahafoy anao ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/ny-tena-fitiavana
Ny tena fitiavana
Ny zo Rado Herizo
Ny tena fitiavana raha amiko aloha Dia aina no fetra Tsy asiam-panenenana ireo vita taloha Ny ho atao tsisy fetra Raha toa mifanaiky ireo olon-droa fa ho iray tarigetra dia hisy fitiavana feno tokoa sy ho tsara fitoetra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/handroso-fa-matoky
Handroso fa matoky
Ny zo Rado Herizo
Hisy ady tsy ho mora hisy eso sy akora hisy lalana malama eny an-dalana hombana Nefa Tompo tsy hanahy Fa hijoro ka ho sahy N'inon'inona hisakana Dia hatoky anao ry Ray mpitantana Mety ho kivy sy ho ketraka mety hiharan-hetraketraka mety hilaozan'olon-tiana ka ho irery sy hangina Tsy hihemotra ry Tompo Fa H...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaka/babonao
Babonao
Njaka
Babonao Babonao tokoa aho , tami'ny andro iray miserana Ka nokaloiko anao daholo, ho tsy misy fahataperana Na ilay fo miafinafina, manangasanga te hiery Dia nahajambena ny fitiavako , ka niraitra ho fery Babonao tokoa aho , tamin'ny alina mangina Ka nandefa vetsovetso toy ny rano mikoriana Novetsoiko tamin'izany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/vavaka-4
Vavaka
Ny zo Rado Herizo
Impiry aho moa ry Tompo no tsy nangataka aminao mba hahazo famelana amin'nyota izay natao ? Impiry aho no tsy voavonjy ? impiry koa no tsy voavela impiry koa no tsy nampiana na hoe nania ka nariana ? Toa fiangotiana tafaoatra mila ho lasa hararaotra ka raha tsy to izay niriana dia sahy milaza fa tsy tiana N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/zanakandriamanitra
Zanak'andriamanitra
Ny Kanto
Andriamanitra ô, Tsy takatry ny saiko Nefa ekeko tsotra izao : Hay ianao dia “Raiko” Andriamanitra ô, Ilay Fanahy masinao Manangana ahy ho zanakao No nampidirinao, Hitoetra anatiko ao. Koa isaorako tokoa, Fa mampifaly fo Ny mandre hoe sitrakao Sy zanaka malalanao. Aoka izao fiovana izao Hitohy hatrany hat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/tsaroako
Tsaroako
Ny zo Rado Herizo
Isaky ny mitopa midoboka ny onja dia injany tsaroako midoboka koa Ilay foko toa feno sy tena mafonja Zay singan'irery fa nisara-droa Tsaroako ilay masonao nanganohano Ilay tsiky niserana anaty tomany Mahita ity fasika vonton'ny rano Nahoana no sompatra ianao re ry tany ? Tsaroako ilay feonao nibitsika mora Nil...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/afoiko-nefa
Afoiko nefa
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Afoiko nefa … Afoiko ho azy ianao ! Afoiko manontolo ! Amin’ny fo madio ! Afoiko ihany koa Ny momba anao rehetra Afoiko tsisy fetra Afoiko ihany ianao Kanefa tadidio F’izaho no teo alohany Fa, afoiko ianao raha mety Manaiky ny ho tantanany Fa, afoizo koa aho, raha nenina no farany ! Afoiko ianao nefa … Ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ny-hoe-tia-1
Ny hoe" tia.."
ny eja
Tia... Ilay manolotra ny fony, Tsy mikajy izay ho tambiny. Ilay mamorona ny tsisy Efa hoe ho an' ny malalany.. Tia ... Na lavitra aza tsy mandao Mampiteny ny ao am-pony Raha tsy ho an'ilay sitraky ny fony. Tia Ilay mahavita mampandefitra Ireo rendrarendra faniriany Fa efa vonona hampifaly Ilay olo-nofi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanantsoa-ricardo/ventsom-paniriana-1
Ventsom-paniriana
RAMANANTSOA Ricardo
VENTSOM-PANIRIANA Ho anao ry zazavavy Izay handinika ny teniko Miondrika eto sadi avy Mba hamangy anao ny peniko Antenaiko ianao fa salama Amin’izao fotoana izao Matoa ny ventsoko tsy tana Fa miantefa any aminao Efa nataoko ihany no hangina Tsy hanambara ny ato am-poko Haneho ilay VENTSOM-PANIRIANA Indrisy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikopol-1/degany
Degany
Nikopol
Degany Mihazakazaka eny an-tsefaky ny rahona Ny soavaly dia. Fitiavana sy setroka… Tsemboka ny vatanao eo amboniko, Tovovavy mainty tsara tarehy : Fanorona. Manao Sangodim-panina ny onjan-dranomasina. Diavolana mibaliaka, Mitepo ny foko ! Any ho any, Misy alika mitomany valala… Ianao manoroka ahy tahaky ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/mirendrika-any
Mirendrika any...
Ny Kanto
Ho Setrin'ny tononkalon'i Andriary..." Izao no hafany" ... mba ampitao any. Miverimberina ao an-tsaina Ny angamba... sy raha toa… Ny lasa - tiako ho avy - sy taraina Niova temitra, manenika ny loha Ny hetahetako, hihaona aminao Tsy ho faty, raha mbola velona aho. Mahatondraka ary mahafefika ny fo Ireo tomany, r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/mankafy
Mankafy
andriary
Izaho mankafy ny tonokalo nosoratany tsy fantatro ny antony tsy fantatro ny dikany Fa taratro avokoa,lay mamy any anatiny fantatro ny kantony hitako ny bikany! Izaho mankafy;ka maniry eny fotsiny ny lalana nodiaviny ka tiako ho lalovana! satriko hifanena,hanofisako ny nofiny inoako fa tsy ho laviny! raha ata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/ho-inonao
Ho inonao
Ny zo Rado Herizo
Ho inonao ny sento raha toa ka avy aminao no niavian'ny fahoriana Ho inonao ny tsiky raha ny fifalianao no hampisy fijaliana Sento ngidy sy mandratra Tsiky eso miaro latsa Tsikitsikim-pahoriana Sentosento toa niriana Ho inonao anefa ireny ? Nahoana ianao no tsy miteny ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanantsoa-ricardo/tsy-natao
Tsy natao
RAMANANTSOA Ricardo
Fijaliana sesilany No mameno ny androm-piainako Fa fahoriana tsy mba mamy Izany foana no iainako Satria ianao izay nantenaina Mba ho namana eto an–tany No indrisy mampangaina Fa halaviriko hatrany Ny saranga misy antsika Dia misy ambony sy ambany Ka ny hasambaranao tsy ho ritra Anaty harena tsy ho lany Raha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriah-mampionona-mialy-mirana/lasa-ianao-ry-malala
Lasa ianao ry malala
andriah mampionona mialy mirana
raha lasa niainga ianao tamin'ny zoma maraina namangy anao toy ny fanaoko aho nefa dia nangaina tena tsy hita izay atao ,mandeha mankatsy mankeroa ny hany fara-hery sisa ,nanome rano reo akoho nitomany aho nalahelo ,tena tsy tanty fa mavesatra mila ho vaky ny loha ,ny fo ,marary tena mitambesatra mafy tokoa izany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/lainga-ireny-fa-mody-hoe
Lainga ireny ... fa mody hoe
Miarantsoa Anicet
LAINGA IRENY ... FA MODY HOE ... Lainga ireny Ny tiako efa lasana Tsy manana nandrasana Dia mody miala sirika Mody hoe mitsiritsirika Lainga ireny Mody hoe mba tsy mijery F' angamba sarona ny fery Kanefa dia misodika Dify vao mitodika. Lainga ireny Mody hoe mba manadino Kanefa iainao dia mino Fa ny nofiko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ilay-domoina-sahisahy
Ilay domoina sahisahy!
ny eja
Tsaroako tsara, ilay andro izay niandrasanay anao, ilay vahiny kely ho tonga ato aminay olom-baovao ! fa efa tsindrin-daona ery ny mpianakavy dodona te hihaona, rahoviana ianao no ho avy ? fa nony vao maraina, iny tonga avy any domoina kely izay, nisidina ambany dia niditra an-trano ka nihoraka ny ankizy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tany/ra-valo
Ra!! valo
Ny Tany
Ra!! valo, Nahoana re no toa miha-be Mihamaro isa izany fahavalo ? Fa inona ity natao no mirongatra mifongatra Ny isan'ny dahalo ! Ra!! valo, Miangavy re mitalaho. Midina eny andalam-be Mba ihaino ny vahoaka mitalaho Tsy ireo mpanana fa ny mahatra matin'anohanana! Ra!! valo, Jereo anie ity kapokam-bary Mifa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/hiraiko-ianao-sy-ny-fitia
HIRAIKO IANAO SY NY FITIA
Toetra RAJA
HIRAIKO IANAO SY NY FITIA Tiako hiraina avokoa ny momba anao rehetra rehetra, Ny fijery sy fitsiky eny na dia ny famindra ... Nefa indrisy tsy ho vita, ny andro iainako voafetra Ka tsy hary voakalo, voakaly sy voarindra. Ny fijerinao moa dia farihin-dohasaha Manaitaitra ny mpandalo hampiroboka azy ao, Hodidinin'...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/manjatiana
Manjatiana
Ny Kanto
Mamiko anie ilay Manjatiana izay, Notiaviko izy izay ; tiako mba ho ahy. Ny endriny ? tsy hoe tsara sy miavaka, Ny toetrany ? voahangy sady ravaka. Tiako raha ny fiainako ho namany, Tiako ho izy no hameno ny tontoloko, Nefa izaho handao, hamoy ny fihin-tànany, Hitady ravin’ahitra, hiatrika ny fiainako. Ny fana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/aina-sa-fitiavana
Aina sa fitiavana?
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
AINA SA FITIAVANA ? Ho an’i Malalako avy @ Hary (valiny "ianao no fanafodiko" Malalason) Faniriko loatra ny ho eo anilanao Nefa moa tsy anjara ka aza omena tsiny Raha minia midify ny salovan-tavanao Fa tsapako tena manonja ankehitriny Ny embona anao ! Tsy misy anefa vahaolana Hamerenana, ny tantaran-tsika R...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/ny-alina
Ny alina
Miarantsoa Anicet
NY ALINA Ny alina .... Raha teto manko ianao ...niondana ny tratrako! Raha teto manko ianao ... niantso ny anarako! Raha nisy nahatsapa manko ny volana tsinapako ! Raha teto ianao nanopy ny kintana ifaharako. Ny alina.... Angamba kosa iky ho sitrana ny aretiko Angamba kosa iky ho sarona ny fery Angamba mety ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/izao-no-hafany
Izao no hafany
andriary
hoy Nykanto hoe: "Manjatiana"!dia izao ny hafatr'i manjatiana ho an'i Nykanto! Hitako izy omaly dia izao no nambarany ...raha nanohy ny tantarany ny fony anie mijaly nijaly niandry anao isan'andro lava izao! Dia izao koa no hafany, na mandondona sy sahy reo fakam-panahy dia tsy mendrika itarafana ny fitiavan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/maitso
Maitso
Miarantsoa Anicet
Inty ny voa sy vony ; dia felana sy taho. Ny foko sy ny fony tohizan'ny sampaho. Aza dia triarina am'tanana botsiaka Topi- maso nangalarina nanala irony hatsiaka. Inty aho tonga indray , mbola kotsan-dranon' ando. Tsy nahandry nilomay : te hahita anao masoandro. Avelao aho handihandry eo ambony tongotrao. alina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/avelao-1
Avelao
Miarantsoa Anicet
Atopatopan'onjan'ny erika maraina Avezivezin'aloka sy rivotry ny alina Sambatra aho ! Saininao mijaly Kanefa tena faly. Avelao aho hiloloha , Avela aho hivimbina, Avelao hisakelika , Avela hivongika Avela ... Avelao aho Avelao hivongika vongan' alahelo Avelao hiampofo antontantontan-tsento. Raha ho tonga i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/ady-ny-fitiavana
Ady ny fitiavana
andriary
Fa...ady ny fitiavana ady tsy ananan-kavana ka ny babo sady resy no voahosotra mpandresy! Fa...ady ny fitiavana! ady sarotra fandavana mifamolaka manokana! ho tonga fon'olon-tokana! Fa...ady ny fitia! ady mba hampiara-dia ny dian-tongotra ho iray! raha tsy izany tsy hifandray!!! Raha fitiavana tsy misy ady!...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/helo
Helo
Miarantsoa Anicet
HELO Avela aloha ny foko hijaly noho izao ! Avela aloha ny foko hifoko noho ianao ! Avela aloha ny foko hifoka ireo talaho ! Rahoviana aho vao ho faty ? fa ... tena lava loatra ny fiainana eto an-tany. Ny fiainana ? Mihalava fa mihafohy ! Mitombo nefa mihena ! Fa.... tena lava loatra ny fiainana e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/raha-azonao-atao
Raha azonao atao
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
RAHA AZONAO ATAO Raha nieritreritra aho ny zava-nisy teo aloha Fony isika niaradia, nidoladola toa tsy ho faty Dia tena nino sy natoky, fa tsy hisy fisarahana Ny fanadaharana anefa an’Andriamanitra irery F’izaho sy ianao dia mpisafidy, fa tsy afaka mandidy Na dia samy tena vonona, ny hiombona fiainana Ka raha az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fefe/tsiky
Tsiky
fefe
Tsiky Fihetsika iray tsy sarotra atao Fihetsika mamy tsy mba lalao Fa hetsika avy amin'ny fo tokoa Dia ny tsi ky fataon'olon-droa Fihetsika tokana tsy misy vidiny Fihetsika manan-danja tsy omen-tsisiny Tokony atao mba ho fifaliana Dia ny tsiky ho an'ilay tiana Fihetsika manadio sy manazava Fihetsika mamiratra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimine/fitia
Fitia
Mimine
FITIA ... TOA TSY HAIKO NY HAMINTINA AO ANATY TENY FOHY NY FISERANAO OMALY SY NY TOHINY ANDROANY FA NY TOKY NO NAMINTANA SY NISINTONA NANJOHY KA NAMELA ROHY FALY TAO ANATIN'NY TOMANY ENY, EKEKO HADISOANA RAHA NY ANJARA NOFINIDY NO HO LAVINA INDRAY SY HEVERINA HO SOMPATRA SAINGY INIANA TSY TSAROANA FA NY F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kabatritra/tsy-vita-ny-tantara
Tsy vita ny tantara
KABATRITRA
TSY VITA NY TANTARA Ny tantara dia tantara Tsy voakosoka indrisy Na inona anjara Dia izay no zava-nisy. Ny sehatra rehetra Dia vitantsika sary Voapika hitoetra Anatin'ny diary. Ny tantara anefa moa Tsy voatery anaty boky Fa holatra am-po Na hery vao ho toky. Rotsio ny tsiahy Ho renoka any tsara Satria ek...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimine/sambatra-1
Sambatra ....
Mimine
SAMBATRA ... SAMBATRA AHO FA MANANTENA TOMPO IRAY MITIA AHY SAMBATRA AHO SATRIA NIHENA NY AHIAHIN'NY FANAHY SAMBATRA TOKOA VA RE ? ENY, INOAKO HO TO IZANY LAINGA MANTSY RAHA NY HOE SAMBATRA NEFA TOMANY... SAMBATRA AHO FA HENIKA AZY NY ATY FIAINAKO, NY ANDROKO SAMBATRA AHO, TSY VAZIVAZY MAMIRATRA NY MASOANDR...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tany/fy-mailo
Fy mailo
Ny Tany
Fy Mailo! Fa nahoana ary re re-olona Ito anarana no dia natao ho fantatr'olona Fy Mailo!, toy ny misy andrimasom-pokonolona Sa natao hifehezana izato bibilava ?. Mba tsy hamoaka poizina handoro sy handrava! F'angah tsy nahita anaran-kafa ? Hoetina milaza amin'ny fomba hafahafa No dia lazaina sy dradraina Fy M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/taranjam-pitia
Taranjam-pitia
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
TARANJAM-PITIA Tsy hoe maditra aho Raha minia mitia an-dry Fa te mba ho Mpampianatra Mpampianatra fitia Tsy tia tena koa Raha nanambara izany Fa hery tsy voatana Tangena te ho mamy Tsy haingotenin’ny poëta Izay voalazako rehetra Fa epistily ho anao Tsangam-bato mitoetra Tsy misy teny mamy Mihoatra noho iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanantsoa-ricardo/adimpiainana
Adim-piainana
RAMANANTSOA Ricardo
Ry fiainana an-tany be setrasetra Toa zary fisaonana ny andro rehetra Izay natao mba ho tsara fiafara Nefa indrisy fa toa rako-panala Toa ela fiposaka ilay fahazavana Fa haizina foana no mba hombana Ny lalan-kaleha toa tery dia tery Ny vatana anefa toa tsy ampy hery Ny fo toa mazoto, ny saina hikiry Izay zav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaka/ny-fitiavana-rahavako
Ny fitiavana rahavako
Njaka
(Atolotra an'i Malalason mpakafy) Ny fitiavana rahavako , toy ny rano mikoriana Mikoriana avy amin'ny tavako , hatsembohan'olo-tiana Toy ny rahona miserana , mambabo izany fo adala Nefa kosa mety hamelana , raha tsy misy mahalala. Ny fitiavana rahavako , tsy natao anao irery Na vidiana sy atakolo , ka tsimponina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/anjara-sa-safidy
Anjara sa safidy ?
Ny Kanto
Ilay ravi-maitso iray nihintsana Teo an-tokontany omaly Ve dia ratsy vintana ? Nihintsana izy sa ninia nihintsana ? Ny lohataoana anefa ity mifaly. Dia nahebikebin-drivotra, Tsy manan-jotra aleha akory Sy safidy intsony hifikitra Amin-taho nilaozany izay ory. Niankarapoka amin’ny tany, Niandry irery teo ‘lay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ampianro-hanetry-tena
Ampianro hanetry tena
Ny Kanto
Inona no manan-danja Voalohany amin’ny fiainako. Ilay tarigetra iray mafonja, Lohalaharan’ireo zotrako ? Fa norohako avokoa Izay hitako fa tsara, Hay nofy ireny moa Ary koa tsy tena anjara. Fa ianao no Masina indrindra Ry Tompo sy Andriamanitro. Ianao irery ilay Mpandrindra Ny rehetra haiko sy tsy fantatro ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ianao-no-fanafodiko
Ianao no fanafodiko
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
IANAO NO FANAFODIKO Tsy haiko ry Hary Fa marary Ny an-dohako ! Misaina lalan-dava Ny fiarahan-tsika ho rava Ka ny ngidy sisa gohako ! Ety an-tany fandalovana Ka ho zary fahatsiarovana Lay tantara mamintsika ! Fa ho lò sy bobongolo Ary ho potika daholo Ny alahelo no handriaka ! Ranomaso no hirotsaka Ny mas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/tsy-hita
Tsy hita
Mampikanto
TSY HITA Any ambadiky ny tsy hita Ao izy fa tsy tazana No misy ilay malalako No misy ilay tsy foiko Tsy hitako, nefa…. Toa lalaiko Tsy tazako ianao, nefa …. Toa iriako Lalaiko mba ho namako Iriako sa ho giaziko ho fananako! Ny hakantonao ry aiko Toa tsy afaka ato an-tsaiko Ilay endrikao maranidranitra manif...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/ry-fitiavako
Ry fitiavako
Tsiky dia ampy
Ry fitiavako o nahoana No tsy maintsy toa izao No lalana lalovanao Vao ho tonga ny maraina? Ry fitiavako o nahoana Izany tany manontolo No manenjika daholo Nefa ianao mba mitaraina? Ry fitiavako o jereo Be dia be ny mankahala Tsy mba mety mahalala Fa ianao koa mety tia Ry fitiavako o ireo.. ... anefa tsis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/gasy-ve-ianao
Gasy ve ianao?
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
GASY VE IANAO ? Raha Malagasy ianao Dia hiangaviako indrindra Lay tenin-drazanao mirindra Hany mba fananao Dia aza afangaro Amin-tenin’olon-kafa Rehefa mba mitafa Fa mahasaro-piaro Izany akory tsy midika Fa ianao dia tsy mahay Fa hitako miseho milay Ka mahatonga ahy hasiaka Koa anao ny safidy Na ho “gasy”...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriatsitohaina-h-j-l-detekitiva-detekitiva/disaho
Dis'aho
Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva)
Dis'aho Eny dis'aho Diso tokoa tamin'ny teniko Namboraka ireo Tsy ambarateloko taminao Noheveriko fa ianao Hany azoko itokisana kanefa mpamadika Tsy mahazo indrafo akory Notiaviko ianao hatramin'izay nataoko olona akaikiko sy anilako Lasa ianao nijabaka tsara hoanao ny tsy hitako intsony Izaho no Diso fa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/ho-azy
Ho azy
Tsiky dia ampy
Raha mafy loatra ho azy Ny nandalo tao anatin'ny haizin-kitroky ny lasa Satria mantsy rava ho azy Izay rehetra nantenainy, ny fitiava-nokinasa. Dia mba iangaviako ianao Hijoro ho andry iankinany Na dia iray minitra monja. Mandra-piandry ny mazava. Maneke mba hofihininy Hamakivaky izany onja Meteza koa hanazav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanour/zandriko
Zandriko
Nanour
Isika roa Mifankatia tokoa Mifanao soa Miaraka ho to Tsy nifandao Na navelanao Handeha irery Na hanirery Ito zoky kely Sy ny tsianjery Sipa tena tsara Tsy mampite-hizara Miezaka ho tafita Am-pahaizana sy bika Manery ahy hivoatra Indraindray koa hitroatra Saingy mahasaro-piaro Satria kanto hoy ny maro ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianiainasolo-hmblolatiana/tahio-ny-taninay
Tahio ny taninay
Andrianiainasolo H.Mblolatiana
Zanahary o tahio ity taniko ity 'Zay anjakampitivatena Fisolokiana hafetsena Ireo mpotondra marobe Omeo saina fahendrena Dia hadrosomarina ary ity firenena Dia hoverimaina ve ny tolona nataonireo Maritiora fahiny aza odiana tsy hita izany aoka isika tsy hifampiandry Fa samy handray andraikitra avy Tsy hitsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoson-jean-de-dieu-onjaheriniaina/gasy-hono
Gasy hono ...!
Ranaivoson Jean de Dieu Onjaheriniaina
Gasy hono ireo mba miteny diso Nefa toa tsy mahay manavaka ny havia sy ny havanana Tsy mahay manoratra ny hoe ampitso Nefa miedinedina hoe Malagasy mangarahara Eny an-dalambe ireo milaza ho Malagasy Dia hita fa mampalahelo, toa mangasihasy Satria tenin'olona no mba hay Tsy Antandroy na Betsileo No eo am-bavan'i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanour/ampy-izay-3
Ampy izay
Nanour
Ampy izay ny ranomaso Miezaha hihoatra ny ankaso Fa ny fiainanao Tsy mbola voasoratra izao Aoka izay ny tononkalo Fa hahitako angano Tsy ahavitàna n'inon'inona Mampandrrevy andro ririnina Ka iny aho no lasa ry zareo Mampamangy ianareo Fa hitady ny anjara Sy fiainana mba tsaratsara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/raha-te-hotafita
Raha Te-Hotafita
Voromailala
Ny diploma eny an-tanana Nefa toa tsy mety tafita Ny fahaizana hanana Nefa ny vola miharitra Tsy lasa saina ve ianao? Mahita olona manambola Ambany fahaizana aminao Toa mahaliana, mahasola Raha ny fahaizana fotsiny Dia tsy ahatafitanao velively Fa ampio fampiarana sy mokony Fa hody ventiny izy ireny Ka anao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/azafady
Azafady
Tsiky dia ampy
Azafady fa tsy haiko Izany tsy mitia anao Ka na hanafaka ny aiko Dia ho tiako tsotr'izao Aza tsiny raha minia Ka tsy mahafehy tena Zany mantsy rehefa tia Ny ho avy no jerena Miala fondro re malala Raha toa mirotoroto Fa ny foko anie adala Efa leon'ny mitoloko Miala tsiny raha mafy Ny vokatry ny miaraka ami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/avelao-aloha-hikija
Avelao aloha hikija
Ny Kanto
Avelao aloha hikija Hilatsaka ny orana, Ireo sento sy tomany, Raha tsy izany tsy hisava Ireo rahona matevina, Hampody indray ny lanitra, Ho mirana sy ho manga. Avelao aloha hikija, Hiraraka ny havandra, Ireo teny ts’isy maminy. Ho afaka ny fony Sy ny loniloniny Hitsiky indray ny tavany, Ka tsy hamosavy int...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/mandrakizay
Mandrakizay
Ny Kanto
Fotoana ts’isy fetra Fa Mandrakizay, ‘Lay kipy masoko izay : „Fa tao ny sandriko no tazako Namihina ny vatany, ‘Lay tsikiny ao manako Mitory ny fahatsorany, Tao no reko koa ny feony Sy bitsi-pahasambarany, Tamin’izay no nahatsapako Ho toy ny sambo atopan’onja, Mankafy ny hamamoany, Ilay foko avenavenany” R...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriatsitohaina-h-j-l-detekitiva-detekitiva/angamba
Angamba
Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva)
nahoana no be mahala izaho rehetra izao sa izaho no adala ka nampahafantatra anao ilay teny miafina tsy ambaratelo izay mba nafenina kinanjo hitanareo ka novaina tampoka teo fa nahoana ry Hery no navelanao hahazo vahana ? ka tavela ny tonokaloko satria tsy olana tsy azo vahana nikiry ihany aho ny hitady n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaka/tia-anao-tanteraka-aho
Tia anao tanteraka aho
Njaka
Tia anao tanteraka aho (Atolotra an'i Mlle DITY ) Tia anao tanteraka aho , tamin'ny ora tsy nampozina Tia anao tokoa tokoa , ny fitiavako voapoizina Tia ny momba anao rehetra , na fijoro na famindra Na fiteny na fitsiky maharenoko ahy indrindra Tia anao tanteraka ho , tamin'ny kisendrasendra Tia anao madiodio fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/ry-lisy-kely
Ry lisy kely
Tsiky dia ampy
Ry lisy kely tsara bika Maniry an-tany songosongo Mbetika toa mibaliaka Mbetika toa bongobongo Moa ve mba fantatrao Fa ianao no voninkazo Tsara indrindra mba naniry Lalim-paka sy fitia Antenainy ho doria? Ianao no nomeny Tsiron-tany mamy indrindra Notehiriziny hatrizay Ianao no nekeny Tsy navelany hifindra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tany/dia-sahinao
Dia sahinao
Ny Tany
Dia sahinao,... Dia sahinao lahy Dia sahinao tsotr\'izao ny nampindrana ahy Ilay fitia izay tsy natao sy tsy voatokana ho ahy Indrisy ndeha ho laviko satria sao, Sao honota ianao, sy ho meloka aho, Ka ho fitaka no atolotrao ilay olona iray tianao Dia sahinao,... Dia sahinao ve, Dia ho foinao tokoa va re, ny ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/sangy-ve-sa-sompatra
Sangy ve sa sompatra?
andriary
Nirefotra ny varatra Niaraka namafatra nandratra ny any am-poko indro izy mitoloko! Sangy ve sa sompatra? No nandoro sy nandopatra hatrany an-tampon-doha nosesefana longoa! Sahisahy nietraketraka sahisahy nampitresaka ny hazavako niparasaka nisy haizina nanasaka! Fa ny lahatra hafahafa no nandalo nanatsafa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/tsylahatra
Tsy...lahatra
andriary
Tsy ekeko hoe anjara raha izao no tantara tsy maintsy hozakaiko notakiana ho efaiko! Tsy inoako koa hoe lahatra na nafafy mba hifahatra hatrany anaty rako ireny lalana nombako! Sarotra amiko ny hino na minia manadino fa ny lasa sy nyho aviko noterena tsy ho laviko Fa ny zavatra mitranga na ny feno na ny ba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanour/vavaka-5
Vavaka
Nanour
Ampio aho Tompo mba hanadino Ilay fitiavana tokana ato am-poko Satria fantatrao fa tsy ho vitako Ny tsy hisy azy eo anilako iny Lasana nandao izy mantsy Sady tsy namela vatsy Ka tsy misy hitarainana Na ankizy hisaintsainana Angatahiko aminao ry Ray Ny hino anao indray Mba tsy hampivarilavo Hanandratra anao h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanour/kintana-nandalo-1
Kintana nandalo
Nanour
Fifaliana Hakiviana Mifandimby anatiko ao Haravoana Fahazotoana Hatramin'ny nahalalako anao Kinta-maro Mifangaro Hitako avy lavitra ao Saingy sento tokana No ahatsiarovako anao Izay ao amoron-dranomasina ao Satria noho ny halavitana Ny anjara sy ny vintana Tsy natao ho ahy sy anao Ka nahatonga ahy handao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanour/kintana-nandalo
Kintana nandalo
Nanour
Fifaliana Hakiviana Mifandimby anatiko ao Haravoana Fahazotoana Hatramin'ny nahalalako anao Kinta-maro Mifangaro Hitako avy lavitra ao Saingy sento tokana No ahatsiarovako anao Izay ao amoron-dranomasina ao Satria noho ny halavitana Ny anjara sy ny vintana Tsy natao ho ahy sy anao Ka nahatonga ahy handao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sahyman/fa-namako-ianao
Fa namako ianao..
sahyman
Fa namako ianao, rehefa injay dorehitra ny faravodilanitra ka mifampita hafatra ny andro sy ny alina. fa namako ianao, rehefa injay mitosaka ny voninkazo manitra mamerovero fatratra mifono hevi-dalina. Fa namako ianao, rehefa injay manintona voarakitra an-tsary ny doboky ny morona sy riandrano manga. fa nam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/tsy-ho-ahy
Tsy ho ahy!
Ryana
TSY HO AHY ! Efa fantatro anie f’iny namako iray iny, Dia hiserana ihany, handalo satria mpivahiny ; Efa fantatro ihany koa, fa ny foko no adala, Nanantena hampiantrano vorona handao ny ala... Fantatro fa samihafa Ny tontolo misy anay, Raha an-tserasera no mitafa Dia mitovy izahay... Efa fantatro anie fa fitse...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/gadra
Gadra
Toetra RAJA
GADRA Midradradradra Ilay gadra Noratraina Vao maraina, Mitanàka Fa voadàka Mitoretra Manjoretra. Izany volo Tsy voakolo Misafoto Feno loto; Ny tànana Efa mangana, Ny tarehy Mihalehibe, Hay mivonto Voatonto ! Ny sakafo Tsy mba lafo Zarizary Mankarary; Kanjo indrisy Iny nisy Bodongerona Nitrero...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanour/ny-fo
Ny fo
Nanour
Mba tandritandremo ny fo Fa hamitaka anao tokoa Aza atao be sendaotra Sao hankarary an-doha Isy io mantsy azo volaina Mety hamboarin'ny saina Mba tsy hiborahan'ilay pataloha Hampitraka indray ny loha Aza dia tanterahina Ny fitia tiana hoborahina Tantarao amin'ny saina Ho visainy ilay lalaina Tsarovy fa ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanour/mampitamby
Mampitamby
Nanour
Fitia noheveriko tsy hisy fetra Nifanentana ny vatana, fanahy sy toetra Valim-bavako tao anaty setrasetra Saingy nahitako ny fahalemeko rehetra Fitomaniana, fangatahana tsy misy setriny Tsy misy resaka fa tonga dia ventiny Tsy tambitamby, tsy orokoroka no afafiny Fa gidragidra, lainga sy mistery no ao anatiny K...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanour/ny-tany
Ny tany
Nanour
Harena tsy ho lany Raha ny eto an-tany Sarobidy noho izany Ny any an-danitra any Haravoana analin-kisa Fiainana tsy ho voatanisa Saingy zava-poana avokoa Satria tsy anilanao ry Ray tsitoha Miezaka hatrany ny hahita mamy Hahazo tombotsoa, hivoatra sy hankato Hivavaka koa ny ho tafita Ahafahana manao soa ny ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanour/tonga-saina
Tonga saina
Nanour
Izay vao tonga saina Fa mafy ny miaina Mazava tsara daholo Ny halalin'ny tontolo Hitako ny diako Fahaizana sy vola no iriako Hohadinoiko ny fitiavana Fivelaran'ny saina no tanjona Fahaizana sy fahalalana Mitarika fifanajana Ny vola sy ny harena Asiana fetra tsy ho jambena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/tsy-ho-ahy-1
Tsy ho ahy!
Ryana
TSY HO AHY ! Efa fantatro anie f’iny namako iray iny, Dia hiserana ihany, handalo satria mpivahiny ; Efa fantatro ihany koa, fa ny foko no adala, Nanantena hampiantrano vorona handao ny ala... Fantatro fa samihafa Ny tontolo misy anay, Raha an-tserasera no mitafa Dia mitovy izahay... Efa fantatro anie fa fitse...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanour/ny-fitiavako-anao
Ny fitiavako anao
Nanour
Fitiavana kidaladala No niantombohan'ny tantara Fitiavana maimaika Tampohiny sy taitaitra Noheverina tsy haharitra Natao kilalao hahafinaritra Saingy rehefa notohizana Dia lasa fitsapana nikoizana Isan'andro vaky izao Matahotra ilaozanao Nanjary fizahàna toetra Sy nasiana tarigetra Ny zavatra rehetra atao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rha-nary/namana-atolotra-ho-anny-namana-rehetra
Namana
R.H.A. Nary
Soa fa nisy penina afaka mampita ny sarotra tenenina... Tsy fantatra ho an'iza... Soa fa nisy ihany ambina finoana nanosika hanontany... Fa hanontany an'iza?... Finoana mitsilopy miandrandra hery avy amina maso roa mitopy; hery tsy nananana, toy ny fihin-tanana sisa namaharana, ampy namantarana, fa raha sen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/risoriso
Risoriso
Toetra RAJA
RISORISO Tsy diso Aho mivolana Androany : RISORISO Re no olan' Ny tany ! Io no didy Mifehy Indrisy ! Mihidy Ny aleha Raha tsisy Ilay vola Asisika An-tànana, Izay mbola Mandrisika Namana Hanao Tsy mety Hatrany. ... Azonao Vetivety Raha any Ilay "fomba" Mahavoa Tsy tononina ! Toa momba Avokoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/fitia-tsy-misy-olakolaka
Fitia tsy misy olakolaka!
andriary
Tsy ny elanelan-tany manasaraka antsika no manakana ty foko hanambara ny ao anatiny sy ventso mba harantiny! hivetsoiny ho anao! Tsy ny anaran-tany koa tsy mitovy onenan-tsika no hampisy hakiviana Fa ny any anatiko any misy feo manontany tiany ho henonao irery Tsy hoe ianao tsy fantatro Na izaho tsy haina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/tiako-ianao-na-dia-2
Tiako ianao na dia
Tsiky dia ampy
Tiako ianao na dia Vao vetivety monja No nihaonantsika roa Tiako ianao satria Fitiavana mafonja No mafy tao am-po Tiako ianao na dia Maro mpankahala Sy mpisompatra ny dia Tiako ianao satria Ianao no mahalala Ny halalin'ny fitia Tiako ianao na dia Be ny mpanaratsy Mampiferin'aina Tiako ianao satria Rehef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/taniko-sy-tomaniko
Taniko ...sy tomaniko
andriary
Iny tendrombohitra iny ngazana hatrany am-para-tazana ts'isy hazo mba maniry ny kirihitra tsy hita firy fa tany karakaina Io mamelatra ny maina! Ny riandranom-batolampy miharitra sady tsy ampy ny renirano aman'ony toa tsy hikoriana intsony fa vodivona dongo sisa samy koka sy efa tritra Itsy lohasaha indray ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izaho-ve-no-adala-1
Izaho ve no adala
Fredy Jaofera
IZAHO VE NO ADALA ? Izaho ve no adala f'efa olona tsy tiana Dia asainy mbola hotiavina Sa iriny ny hampahosa sy ho feno fijaliana Hahazoany izay tadiavina ? Izaho ve no adala f'efa andry tsy antenaina Dia terena mbola hiankinana Sa metimety aminy ny ananan-tebin-tsaina Sy ny tsy hahazo fanambinana ? Izaho ve n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tiako-ho-ahy-ianao
Tiako ho ahy ianao
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
TIAKO HO AHY IANAO Tina ! Eo anilanao no tiako hitosina Eo an-tratranao no tiako hiondanana Ary ny fe-nao no tiako hipetrahana ! Tina ! Eo antsofinao no tiako hitafana Eo imolotrao no tiako itohofana Ary ny tananao no tiako hanafosafo ! Tina ! Mba ekeo ny fiangaviako Fa aza ilaozanao mitsiky Manazava ny aty...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanour/izay-ianao
Izay ianao
Nanour
Fa maninona ianao no ho tiako ? Fa iza ianao no hofidiko ? Ianao izay toy ny lolo mitety voninkazo Tsy mitsahatra manidina mandefa vazo Tsy fantatrao akory ny dikan'ny fitia Fifankatiavana tsy miloka ny ho doria Kilalao manalasala mahalasa adala No hampianarinao ka aleoko miala Tsy ny harena sy ny bika no mahat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/hafatrafatro-1
Hafatrafatro
andriary
Ny iagaviako anao farany: Aza andramanao tsaroana reny lasantsika! Ny halalin'ny tantarany Aleveno an-tany foana tsy hisy feo mba hipika!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/betsaka-1
Betsaka
Fredy Jaofera
BETSAKA Betsaka ny zavatra tiako ravana Hivalona hatreo, Kanefa tsarovy fa tsy mety fafana, Mitondra toreo. Betsaka ny zavatra tiako saronana Hanova ny ho avy, Kanefa tsarovy fa tsy mety takonana 'zay nampanavy. Betsaka ny zavatra tiako andosirana Hihataka foana, Kanefa tsarovy fa tsy mety mahamirana 'zay m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/mpahary-matihanina-1
Mpahary matihanina
andriary
Raha vao nahita anao nandalo sy niserana Nandravak'iny lalan'iny mitombam-panaperana Nahoana no tsy hiontana ny ato anatiko rehetra Fa ny hatsarana nentinbao satriko tsy hanam-petra!! Ny bikanao indray mijery dia ny lafatr' aok'izany Na tsy misy ny tanteraka azo indramina eto an-tany Dia manambara ny hakanton'ny ...