url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/voafidy-ho-malalany | Voafidy ho malalany | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | VOAFIDY HO MALALANY
Tsy kisendrasendra mihitsy
Ianao norohany iny
Fa tena fandaharana
Tsy kisendrasendra koa
Ny ratsa-tana-nifandray
Fa nanambara fitiavana
Tsy kisendrasendra izany
Ilay inao tsy tratrany
Fa tena ianao no tiany
Sy voafidy ho malalany
Ka hajao ny fahendrena
Sy fitiavana nomeny
Fa harena saro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ilay-tiako-sy-takiako | Ilay tiako sy takiako | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | ILAY TIAKO SY TAKIAKO
Raha ianao ilay tiako
Dia ny fahatsorana
No zavatra takaiako!
Lamba ho tinafinao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/taiza-ianao | Taiza ianao ? | Fredy Jaofera | Taiza ianao fony tsy nanan-kifikirana
Ny saiko nisavoro ?
Taiza ianao fony tsaroako nanahirana
Ny aloka nijoro ?
Taiza ianao fony tsy nanan-kianteherana
Ny foko manjoretra ?
Taiza ianao fony nitombo sy tsy ferana
Ny ora nampitsetra ?
Taiza ianao fony tsy nanan-kantenaina
Ny toky nifotorana ?
Taiza ianao fony ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/tsy-an-kiteniteny | Tsy an-kiteniteny | Ny Kanto | Nefa …tsy an-kiteniteny
Ireny herim-pahalemeko ireny.
Dia tsy fantatrao tokoa
Ny misitery aty anatiko
Sy fidoboky ny foko,
Raha vao mahita anao.
Babo tena babo tsotra izao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanour/satria-tsy-sitrakao | Satria tsy sitrakao | Nanour | Meloka aho ve raha hitia anao sy hataonao kilalao ?
Kanefa dia fitiavana tsotra izao no hatolotro anao
Fitiavana tsy misy fetra no ao am-poko ao
Ka na hanomezana ny aiko, hafoiko noho ianao
Aza omena tsiny re ry mpitazana eto
Fa fitiavana be dia be tsy ho zaraiko eto
Ho anao irery ry aiko izao tononkalo izao
Na ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/ny-ampitso | Ny ampitso | Tsiky dia ampy | Omaly isika olon-droa
Tsy nifankahalala akory
Samy nanana ny lalany
Ny eritreriny, ny diany
Samy nanana ny fony
Samy nanana ny tiany.
Dia nisy ny hariva
Dia nisy ny maraina
Androany isika olondroa
F'efa miaina aina iray
Manamboatra lalan-tokana
Hanambarana ny dia.
Hiombonana fitia.
Tsisy tiana hafa intsony... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/reny-malahelo | Reny malahelo... | Ny Kanto | Lafi-valon’ny tontolo miha-feno tebiteby
Tabataba, jaly, hiakan’antso misomedika
Ireo reny malahelo nilaozan’ireo zanany,
Midradradradra, mampikija ny tomaniny.
Fa dia nankaiza ireo anjely mpiaro?
No ain’ireo tsy manan-tsiny maro
No novonoina ho fitakiana fahaleovan-tena,
Norobaina sy natao an-katerena !
Mbola... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/fitiavana-2 | Fitiavana | Ny Kanto | TSIKY
Tsiky iray mitsoka sy mangina,
manasafosafo no nasandratry ny fony.
Mibitsika ao am-poko faniriana
Handresy ny ahiahy tsy nampitony
Tsiky iray maneho fa lasana nisintaka
Ny fahatezerana rehetra izay naninta
Izaho tsaboiny dia manaiky ny hamoa
Fifaliana ho fitohizan’ny haravoany.
Tsiky iray aposany hampam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefa/mamapasy | Mamapasy | MAHEFA | Ny ora maromaro tsy eo anilanao
Fenoiko tonom-bavaka
dia efa ilazao Ilay Andriamanitra ao
hamoha ny habakabaka
tsy sanatria ny vava hoe
ny mivavaka no fialamboliko
misaotra anao aloha
misaotra anao indrindra nanala ny devoliko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ds/vetsom-beloma | Vetsom-beloma | ds | Lasana ianao
Nandao an'Ankaratra
Matory izao
ka sambatra
Ny fiadananao
No iriko hitambatra
Omeo azy ry Ray
Ny famindram-ponao
Reo maizina hatrizay
Mba samy hazavao
Na kotsan-drano
Reo maso manganohano
Zava-tsarotra isan-toko
Mionona re ry foko
Ny Tompo inoiko
Ka izy no antsoiko
Fa Ray mangora-po
Izay t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vololona/serana-1 | Serana | Vololona | Noseraninao indray ny tontoloko androany
Noseranin'ilay tsiky toa mampanantena hatrany
Fa tsy foana ny fitia na ho raraka ny sandany
Na dia hoe minitra vitsy no mba hany isambarany
Zary toa tsy hay intsony izany hoe : fahabangana
Raha ilay fitopinao dia efa ampy hanafana
ny ato anatiko mangovitra, hovitra manget... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/sarotra-1 | SAROTRA | Toetra RAJA | SAROTRA
Nanomboka
Namaha
Ny fatotra
Aho zareo,
Niroboka
Ao an-tsahan'
Ny sarotra
Mpiseho;
Iafiako
Anamparana
Ny hery
Rehetra,
Tsy itsitsiako
Hasasarana
Ireo fery
Setrasetra.
Kapoka
Kibay,
Ozona
Mandratra,
Tampoka
Indraindray,
Tery vozona
Mihatra ...,
Dia ataoko
Miala maina
Hivarina
An-kady,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/fitiavanao-nekeko | Fitiavanao nekeko...! | andriary | Nahoana ianao no tiako?
Nahoana koa no nisy tsimoka naniry
...tany anatinao
Nandresy lahatra ahy,nanjary nofidiko
tsy azoko nolavina,na dia hoe nikiry
...handa tsotr\'izao!
Nahoana no nekeko ny ho raisinao ny tanako
dia nisy ritsoka nanafotra ny vatako rehetra
...toa tsapako ny akasony!
Nanery ny fanahiko hano... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/safidy-2 | Safidy!!! | Ny Hasina Heritiana | Raha ianao mpamaky;
No mba maka ny toerako;
Dia asaiko mba mifidy;
Izay ho andry ianteherako.
Moa ve tarehy amam-bika;
Izay manaitra ny masonao;
Na koa harena tsy hita isa;
No mba ho safidiano?
Sa ilay toetra ao anaty;
Fitia vokatry ny fo;
Izay tsy manana ahiahy ;
Fa tena tia tia tokoa?
Rakoto no ilay bogos... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/orlando-andriamiora/tsory | Tsory | orlando andriamiora | Vorio ny herintsaina..hiloaka hoe:..tsy mila
Ary ..mba fadio ny mampifila.....
....... Raha toa ianao tsy tia
Hingao 'lay hintsim-po, tsory aho raha ho lavina
Fa aza arirarira sy mody haravindravina....
.... Amin'ity andraso foana
Sy ny fanemorana fotoana
F' ireny anie mandolo!
Toky mampangotsoka ny anaty mano... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/matahotra-aho-sao | Matahotra aho sao... | andriary | Matahotra sao,babon'ny fitia
mamoly any anatinao,ka ho resy sanatria!
Ny foko anie mbola osa,sady feno tako-pery
Avelako izy mba hatory,fa aleoko izy manirery!
Matahotra aho mantsy sao,raha hifanena eny isika
Ka ho raisinao ny tanako;dia hisy loharanon-driaka
hikoriana any anatiko;hamohafoha ny tantarako!
Tsy ti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/safidy | Safidy!!! | Ny Hasina Heritiana | Raha ianao mpamaky;
No mba maka ny toerako;
Dia asaiko mba mifidy;
Izay ho andry ianteherako.
Moa ve tarehy amam-bika;
Izay manaitra ny masonao;
Na koa harena tsy hita isa;
No mba ho safidiano?
Sa ilay toetra ao anaty;
Fitia vokatry ny fo;
Izay tsy manana ahiahy ;
Fa tena tia tia tokoa?
Rakoto no ilay bogos... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/nifandamoro | ...nifandamoro | andriary | Teny amoron'ny Kamory,no nandrombahanao ny fony
Eny lasanao tokoa,tsy an'olon-kafa intsony
Dia nosoratanao teo, ny anaranao sy ny azy
Voady tototra fitia,tsy aman' antoka na sazy...
Raha fitia nifanolorana,tsy nisy kilalaon'afo...
Sy manaja reo dina tsy hifangaro safosafo
Dia azo antoka fa hisy,hasambarana hito... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/mba-tantano | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/oay | Oay!!! | Ny Kanto | OAY !!!
Oay ! trano mijoalajoala be!
Oay ! tohatra mikisaka mandeha!
Mba rahoviana lahy
Vao mba hahavita izany
Ny any ambanivolonay ?
Oay! Ny halehiben’ny arabe!
Oay! Ny hafainganam-pandeha!
Mba rahoviana lahy
Vao ho tonga toy izany
Ireo làlan-tsaretinay ?
Oay! Ireo asam-pamoronana
Oay! Tonga eny amin’ny vo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/embona-anao | Embona anao | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | EMBONA ANAO
Do dia F
Izaho anie, manembonembon-dava
Ilay endrikao tsy maty ao an-tsaiko ao
Ianao
Réf :
Veloma ianao, aza manadino
Oh! Oh! Oh ! Aza manadino
Aza malahelo, fa ny sariko banjino
(Ny sariko) banjino
Ho anao ihany anie ry tiana !
Ho anao ilay efa nofidina !
Ilay endrikao, toa miramiran-tava
Miba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/matahotra-aho-sao-1 | Matahotra aho sao... | andriary | Matahotra sao,babon'ny fitia
mamoly any anatinao,ka ho resy sanatria!
Ny foko anie mbola osa,sady feno tako-pery
Avelako izy mba hatory,fa aleoko izy manirery!
Matahotra aho mantsy sao,raha hifanena eny isika
Ka ho raisinao ny tanako;dia hisy loharanon-driaka
hikoriana any anatiko;hamohafoha ny tantarako!
Tsy ti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/matahotra-aho-sao-2 | Matahotra aho sao... | andriary | Matahotra sao,babon'ny fitia
mamoly any anatinao,ka ho resy sanatria!
Ny foko anie mbola osa,sady feno tako-pery
Avelako izy mba hatory,fa aleoko izy manirery!
Matahotra aho mantsy sao,raha hifanena eny isika
Ka ho raisinao ny tanako;dia hisy loharanon-driaka
hikoriana any anatiko;hamohafoha ny tantarako!
Tsy ti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/isaky | Isaky | Fredy Jaofera | ISAKY.
Isaky ny nisy ady mafy nanatrehako ny fiainana,
Tsy teo akory ianao
Nanampy hitari-dà lana sy mba azo nitarainana
Fa naneso,nankalao !
Isaky ny nisy zava-tsarotra nilako vahaolana,
Tsy reko akory ianao
Fa nitsinjaka aza,na tsy niteny,tsy nivolana
No tsapa fa natao.
Isaky ny nisy faharesena nitakiako von... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aft/poetaiza-moa-ianao | Poeta,iza moa ianao? | aft | Ianao ilay tsy mba nino afa-tsy tontolo
nofisin-tononkalo
ianao ilay tsy nitia afa-tsy ny olona
voarindra an-tononkalo
ianao ilay manantena anaty hakiviana
ianao ilay mitomany anoloan'ny hafaliana
ianao ilay velon-tsiky anaty fahoriana
ianao ilay hafahafa
ianao adaladala. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ndao-hamorona | Ndao hamorona | Ny Kanto | Mba atongilano kely hoe ny sofinao Ramalagasy
Inty ny tsetsatsetra tsy aritro, maniry mba hitafa:
- F’efa lasa faharazaranao va re
Ny mitanisa fahoriana marobe ?
F’aiza izay natao hisakanana an’izany ?
Toa ‘zay manao ihany no finganina ho lavo
Sady arahin’eson-teny : “ Efa hevitro izany”
Ny tsy nahavita indray n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arcane/maso-mifanojo | Maso mifanojo | arcane | Malala
Angamba nifanojo
Ny masontsikaroa
Teny an-tsampanana
Fa tsapako nanonja
Hatrany anaty fo
lay tsikinao miharana
Satriko mihitsy
Ny hanome anarana
Ny endrikendrikao,
Saika hanolo tanana
Kanjo diso lalana
Fa nivily ianao,
Tsy fantatro indrisy
Ny anaranao...
Nofinofy sisa,
Tsiky mitamberina
Manitsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/aza-avela-hahalala | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andy/dindo | Dindo | ny andy | mameno ny efitranoko
hatrany hatramin'izao
ny alokao misetra
hetaheta anganoko
tsy sitrako f'injao
satriko hitsetra!
toa sirasira mamiko
toa sary mira anao
toa ango mihararetra
f'hay ianao amiko
na efa hoe nandao
dia mbola tafatoetra! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/safidy-1 | Safidy!!! | Ny Hasina Heritiana | Raha ianao mpamaky;
No mba maka ny toerako;
Dia asaiko mba mifidy;
Izay ho andry ianteherako.
Moa ve tarehy amam-bika;
Izay manaitra ny masonao;
Na koa harena tsy hita isa;
No mba ho safidiano?
Sa ilay toetra ao anaty;
Fitia vokatry ny fo;
Izay tsy manana ahiahy ;
Fa tena tia tia tokoa?
Rakoto no ilay bogos... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/isaky-1 | Isaky | Fredy Jaofera | ISAKY.
Isaky ny nisy ady mafy nanatrehako ny fiainana,
Tsy teo akory ianao
Nanampy hitari-dàlana sy mba azo nitarainana
Fa naneso,nankalao !
Isaky ny nisy zava-tsarotra nilako vahaolana,
Tsy reko akory ianao
Fa nitsinjaka aza,na tsy niteny,tsy nivolana
No tsapa fa natao.
Isaky ny nisy faharesena nitakiako vonj... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/an-taratasy-sy-an-dovia | An-taratasy sy an-dovia | Ny Kanto | ‘Raha tsy ho avy hono ianao
Dia aleo ajanona hatreo;
Ela loatra izay niandrasany izay.
Dia nampiany koa hoe leo,
Tsy tiany intsony ianao’
Dia hoy ianao hoe :
Ny tiako tsy tia ahy
Ary tena mampanahy,
Toa manao an-katerena
Sy mitamby volamena
‘Tonga ihany anefa ianao,
Sahy nangataka ny tànany.
Tena tia ka dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aft/tsiro | Tsiro | aft | Tsy foiko retsy ho adinoina
ireny lasa ireny
tsy sahiko vonoina
tsy tiako koa ho afa-tsaona
ilay foko rako-tsento
efa boboky ny taona
koboniko eny foana
...ho "foko mbola tia"...
Nahoana moa?...satria
ireo no hany sisa
azo namantarana
ilay fiarahantsika. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriatsitohaina-h-j-l-detekitiva-detekitiva/hono-ho-aho | Hono ho aho | Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva) | Hono ho aho ry malala
Mba nankaiza ilay
Fitia tsy manan-tsahala ,
Izay nomena hatrizay ?
Toa manjavona ankehitriny
Ilay fitiavanao fahiny
Toa manjary bobongolo
Ilay fitia tsy voasolo
Hono ho' aho ?
Mba nankaiza foana ?
Mba nankaiza teo ?
Sa efa leo ?
Hono ho'aho ?
Efa adino ve sa ?
Niniana nokosehana ka
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/ampy-ahy | Ampy ahy | andriary | Ataoko ampy ahy ny tsikinao miserana
hambabony fitiavako ho safomorina an\'erana.
Hampionona ty foko hitahiry lay fitia
Ny hamboraka tsy ilaiko,fa efa ampy ho mpankafy!
Ataoko ampy ahy,ny topi-maso kely fotsiny
Nampiventso ny ao am-poko,nanasitrana ny rofiny
Ny fahitako anao mandalo, na indray mitopy monja
dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aft/poeta-iza-moa-ianao | Poeta iza moa ianao? | aft | Ianao ilay tsy mba nino afa-tsy tontolo
nofisin-tononkalo
ianao ilay tsy nitia afa-tsy ny olona
voarindra an-tononkalo
ianao ilay nitsiky anaty fahoriana
ianao ilay nitomany anoloan'ny fifaliana
ianao ilay nanantena anaty hakiviana
ianao ilay mora ketraka raha tojo valim-bavaka
ianao ilay hafahafa
ianao adalad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andy/kalo | Kalo | ny andy | Ianao no hira ventesin'ny kintana
An'ali-mangina
Rontsonin'ny foko mitara-diavolana
Miaina fitia
Misandratra ho andro
Fa te hanazava ny fahasambarana
Anivon'ny aizina feno hamamiana
Sy anjakan'ny feon'ny fitiavana
Tiako banjinina mba ho tsindrina
Ny feon'ny fahadiovana
Ianao no vazo redonin'ny foko
Anaty haf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ando/meloka | Meloka? | Ny Ando | MELOKA?
FO:
Ho meloka àry ve ny foko
raha mioko,
miziriziry
Tsy mety miala fa mikiry;
Mitady hisisika hiraika
mitady paika
mba hisonanina
Amin'olona tsy manina?
SAINA:
Angamba tsy ho meloka izy
fa tsy ankizy
Ka tsy hahalala
Fa tsy tena ho fo adala.
F'ianao izay miavonavona aminy
nefa maminy
dia tsy ozo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ando/anjaranao-1 | Anjaranao | Ny Ando | ANJARANAO
Anjaranao rahavako
Ny miara-tsambatra amiko
Vao mainka tena mamiko
Hamerina amin'ny tavako
ny tsiky nosomparana
nanidy varavarana.
Anjaranao, ry aiko
Ny mba mifampizara
Fitia tsy voarara
Satria tsy ho haiko
ny hiaina irery fotsiny
na dia voarotsirotsiny
Anjaranao, ry tiako
Ny miara-miondrika ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/vonikazoko-mahantra | Vonikazoko mahantra | andriary | Indro atolotro anao,lay foto-bonikazo
Raiso ka koloy aza avelanao halazo
Iny sisa mba fananako,hany sisa mba anjarako
tamin\'iny tono-taona,nanjifan\'ny tantarako
Indro atolotro anao,ento ka koloy tsara
aza mba odian-tsy hita,aza avela hitsirara
voleo an-tany lalina,mba haniry hamela-dravina
dia inoako fa hamolo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriatsitohaina-h-j-l-detekitiva-detekitiva/vintan-dratsy-sa-tsy-anjara | Vintan-dratsy sa ......tsy anjara | Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva) | Vitan - dratsy sa …tsy anjara
Izaho moa dia olona tsotra
Tsotra ny fianako
Tsotra ny fisainako
Tsotra nefa matotra
Eny ho aho ry volana
Dia nisy koa ny olana
Tamin’ny fianako
Zay mba nodiaviko
Maniry aho, maniry mba hitia
Singy indrisy anefa voahilika satria
Tsy mba mitovy amin’izato olona
Zay mijoro toa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/tsy-maty | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/angamba-tohiny-1 | Angamba .... | andriary | Atolotro manokana ho an'i Nyeja !
Ireo tonokalo noraketinao an-tsoratra
Ireo an-dalan teny nataonao indray mitoraka
Dia tarafinao ny amiko
Dia ireo tsiambaratelo mamiko
Ireo angola teny nataonao tsara loko
moa tsy sary tiako indrindra lay miorina ato am-poko?
saha manim bonikazo,mandaingo sy mamelana
Angamba ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/angamba-tohiny | Angamba .... | andriary | Atolotro manokana ho an'i Nyeja !
Ireo tonokalo noraketinao an-tsoratra
Ireo an-dalan teny nataonao indray mitoraka
Dia tarafinao ny amiko
Dia ireo tsiambaratelo mamiko
Ireo angola teny nataonao tsara loko
moa tsy sary tiako indrindra lay miorina ato am-poko?
saha manim bonikazo,mandaingo sy mamelana
Angamba ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/vavaka-6 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/mety-hisy-ve | Mety hisy ve ? | Ny Kanto | Mety hisy ve vaovao mahafaly,
Hoe hipetraka ao an-dakilasy
Hianatra daholo, ireo zaza malagasy ?
Mety hisy ve ilay taona soa
Tsy hisy rivo-doza, fa ho tena zina
Taona iray ho fararanom-pifaliana?
Mety hisy ve ny olo-manga
Vonona hijoro sy hitsangana hanala
Ny tsindry hazolena mamanala ?
Mety hisy ve tontolo i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/mila-mankany-ianao | Mila mankany ianao! | ny eja | setrin'ny " HAFATRA "
tononkalo nosoratan'i RADO
Anisan'ny tononkalo mampiainga ny fanahiko ity tononkalo ity fa dia anio anefa aho vao mahita ny setriny.
Eny, tany aho,
arak\'ilay hafatrao...
tiako ambara mialoha,
tsotra dia tsotra tokoa
ilay efitranony vaovao.
nifampiarahaba izahay
ka nohararatiko n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ando/anjaranao | Anjaranao | Ny Ando | ANJARANAO (Valin'ny tononkalon'i Ny eja TENY MAMY
Anjaranao rahavako
Ny miara |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/hery-vao | Hery vao | Tsiky dia ampy | Misaotra anao,
R'ilay fitiavana nandrasako
Nahay namalona ny lasako.
Ka namafa tsy hifoha
Ny fiainako taloha.
Mankasitraka,
Fa ianao no hery ho ahy
Mampitony ny fanahy...
Miatrika ny fanaintainako
Sy ny fiovam-piainako
Eny fantatro,
Marobe ny menarana
Mitady fomba handakàna
Ka manipy antsamontady
Hamandri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/masoandro-mody | Masoandro mody | Ny Kanto | Masoandro mody
Iny tazako nilentika, ilay masoandronay,
Mirefarefa mody iny ankodimirana iny
Izy hono tsy tamana - ary tena nodifiany!
Injao reko miala aina,
Mihamangatsiaka ilay fifankatiavanay.
Tsinjoko sahady, mihazakazaka handrakotra,
Ny aizina mpanarona ny velona eto an-tany.
Tsy miso diso izany, fa dia as... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/very-ny-hasina | Very ny hasina | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | VERY NY HASINA
Asa ianao raha toa ahy
Fa isan’andro izao
Tsy Alahady tsy andro fety
Fa hitanao mirentirenty
Eny anivon-dalana eny
Zatovo maromaro
Mitsitoko mifangaro
Toa variana mikorana!
Ao ny mialalao karatra
Ao ny minono tavoahangy
Ao mifoka sigara
Asa ! angamba hoy aho
Aminy izay no tsara, fa amiko
Ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/raha-mba | Raha mba.... | Lanto | Aza avela hangaina
Aza avela ho maina
Hiandry ny tsy misy
Omeo ny tena izy
Raha mba tia anao
Fohazinao ny nofiny
Sy ny rotsirotsiny
Ny fo manavinaviny
'Lazao izay tena ho aviny
Fa mba tia anao
Mila tsy ho tanty
Mafana hatrany anaty
Ny teny mamy, safo
Mandoro toy ny afo
Mahate-hitia anao
Ny fiainany, ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raharijaona-marie-angele/soa-fa-nisy-irony-kintana-ho-fahatsiarovana-ireo-maherifo-nanafaka-ani-paris | Soa fa nisy irony kintana ! | RAHARIJAONA Marie-Angèle | Soa fa nisy irony Kintana izay nitondra hazavana,
Fanala haizin’ny alina !... Nisolo hoby sy korana
Ny fijaliana, fahoriana, tebiteby tsy hay lazaina
Nitondranao ny mangidy sady koa namoizana aina.
Nitondranao ny mangidy sady koa namoizana aina
Ny herisetra sy ny ady. Tsy kivy anefa ny fo sy saina
Fa mbola nanant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/antso-an-tariby-allo-ianao | Antso an-tariby | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Antso an-tariby (Allo? Ianao?)
Allo! Allo ô !
Ah! manao ahoana ialahy!
Salama tsara ?
Tsy misy mampanahy ?
Ie! Fa somary sahirana kely
Hay! mazotoa akia malala!
Dia izao an !
Aza hadinoina akia
Ilay fotoanan-tsika a!
Eo amin’ny tetezan’ny
Behoririka ihany .
Dia izay akia fa mazotoa ialahy a!
Misaotra akia,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arcane/hisy | Hisy | arcane | Hisy
Hisy ahiahy hanjaka anao tanteraka
Hibahana ho baraingo, hijadona, hihetraka,
Raha mba fantatrao ny fihetseham-pony
'lay nifanao veloma hifankahita hono...
Hisy ranomaso tsy foy ho tantaraina
Fa mifangaro nofy ny tsiahy tsy voafehy,
Tsy fantatrao niseho na volavolan-tsaina
'lay horoka nanampoka ny resaka m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/rafahasambarana | Rafahasambarana | Ny Kanto | Mba nandramako ny hihazona
Nandramako ny hamihina
Fa tsy voafehin’ny tanako
Ilay nataoko fahasambarana
Raha iny saiky hihamina
Sy higoka ny hamaminy
Dia nilaozany nirifatra
Zava-poana tsy maharitra!
Nandalo teo ny tsikitsiky
Nandalo koa ny hafaliako
Dia nanantena ery ny foko
Hankafy ireo ora vitsy
Fa akoako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/aza-1 | Aza ....... | Ny Hasina Heritiana | Aza miteny akory hoe ho vitanao;
Nefa hay tsy hainao hatao;
Aza lotoinao ilay foko efa madio;
Satria fantatrao fa hany mba fananako io.
Aza mampanantena ahy ny tsy hisy;
Raha toa tsy ho sahinao;
Fa hampiteny ahy ny indrisy;
Tahaka izay tsy nisy anao.
Aza milaza lainga amiko;
Aza manao intsony toy ireo izay teo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/angamba-1 | Angamba | andriary | Reo tonokalo nataonao an tsoratra
Reo an-dalan-teny nataonao indray mitoraka
Moa tsy ventso ato anatiko,no tarafinao miserana?
Dia ny foko feno sento ,lavitry ny fanaperana!
Reo andalan-teny nataonao tsara loko
tsy natao tefitefy tsy natao peta-toko
toa nataonao ho ahy,tantarainao ny amiko
dia ny rakitry ny elak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/ianao-2 | Ianao. | Ny Hasina Heritiana | Ianao io izay ho tiaviko;
ary antenaiko fa ho aviko;
Irariako ho famonjena;
Fa tsy ho be fahalemena.
Izaho anie tsy hilalao;
Na hisangisangy anao;
Fa fitia tena matotra;
Amin'ny mora sy amin'ny sarotra.
Ka mba hono ho aho ry tiako;
Izay iriako ho fifaliako;
Ho tena izy ve ianao;
Sa hivahiny dia handao???
En... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/andalan-tsoratra-ho-anao | Andalan-tsoratra ho anao. | Ny Hasina Heritiana | Inty an-dalantsoratra iray;
no soratako ho anao;
mba hilazako aminao fa:...
Tsy hohadinoiko ianao;
Satria tiako tena tiako;
Hotsarovako foana ireo teny maminao;
Ny hosakambininao no mba hany faniriako;
Mbola antenaiko fa ho namako ianao;
Eny aza hihoatra noho izany;
Tiako hiainana indray ilay fitiavana taloha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/fandresena-mahonena-2 | Fandresena mahonena | Ny Kanto | Setriny ho an\'i (Arcnae)
Iza moa no ho faty raha hikasakasa
Hihoatra ny tsy takatry ny aina ?
Fandresena, fandresen’ny very saina
Satria ny fitaka no maka laka
Ny mandresy ekeko fa fihoby
Ny resy koa ho fanakora
Fa raha jerena tsara dia bakora
Ny medaly iambozonany ho tola
Fa miala anie Rafahendrena
Raha vao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/voninkazo-1 | Voninkazo | ny eja | VONINKAZO,
Voninkazo , ...
sotra nefa kanto,
mamony vao maraina
mamelombelona aina
voninkazo ,
ilay fotsy fahadiovana
lokon'ny fahatsorana
sahaza ny safidiko
ka raisiko ho adidiko
Ny miarahaba anao, amin'ny anarany
manoroka anao amin'ny alàlany . |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ny-fahafahana | Ny fahafahana | ny eja | FAHAFAHANA
Tiako ny voninkazo,
dia tiako koa ny fahafahana
raha hivelatra tsy halazo
haharitra hafiriana ?
anatin'ity vazy
mangina dia mangina !
lavitra ny rivotra
mamelombelona azy
lavitra masoandro
toy ny voasazy .
Ny hany heriny
dia ny mampifaly tena
satria dia heveriny
fa soa ny manantena
mana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/sodoka | Sodoka | Oully | Tsy ny endrikao
Na ny bikanao
No nahasodoka ahy
F'ireo teninao namitaka
No nisarika ahy hankasitraka
Tsy ny toetranao
Na ny fombanao
No nahasodoka ahy
F'ireo teninao nisoloky
No nisarika ahy hatoky
Tsy ny fahaizanao
Na ny asanao
No nahasodoka ahy
F'ireo teninao nihatsaravelatsihy
No nisarika ahy hitia
Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitana/ranomason-toaka | Ranomason-toaka | Tsitana | Dia lasa indray ny revy p,
Samy nisotro sy nankafy
F'izaho vao nipince kely
dia ny alahelo no indro namely
Tovovavy iray notiaviko
eny nanankinanko ny hoaviko
lasana any ambony any
namely ahy irery eto an-tany
Lay vera teny an-tanananko
zay noheveriko ho namanko
No vao mainka nampivoaka
Lay ranomason-toaka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arcane/miandry-2 | Miandry | arcane | Misalalala
Ny foko,
Te hanontany
Te hahalala,
Nefa tsy foiko
Ho fantarina
Raha sendra tsia
no havaliny...
Dia aleoko
Mihanahana
Sy mitazana
Mazàna
Izay ho fihetsiny
Androany
Sao misy ihany
Fanantenana...
Na teny iray
Mety hanambara
Fa hatrizay,
No tia adala,
Nisalasala
Sao tsia
No havaliko
Raha h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/toky-ho-anao | VETSON'NY MANINA | HASINIONY | Mitakosin-drahomainty izato lanitra eny ambony
Niha nanonja vetivety ny ranomasina izay tony
Fa ny fitiavako anao safononoka hatrany
Na dia tsy tsinjoko endrika any an-tany lavitra any
Niha nalazo vetivety iretsy vony an-jaridaina
Toa nanjary haizim-pito misandratr’andro vao maraina
Ny foko anefa sahy mivoady ary... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/dia-toa-nisy | Dia toa nisy.... | Ny Kanto | DIA TOA NISY…
Dia toa nisy sendrasendra,
Dia toa nisy ilay fihaonana,
Dia toa lasa hoe lanonana
Ilay fotoana ifanomezana.
Dia toa nisy teny mamy,
Dia toa nisy safosafo,
Dia toa lasa ireo tomany
Nosoloin’ny tambitamby.
Dia toa nisy finamanana,
Tena tsotra sy milafatra.
Te hiara-hifampitantana
Hanatontosa sor... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ny-fitiavana-inoako | Ny fitiavana inoako ! | ny eja | Ny fitiavana inoako ,
fa talohanao,
sina ny fitiavako
izay olo nantenaiko
ho vahatra hampitony;
izao vao tena haiko
fa tsy nitia ahy
no tsy tiako akory
dia indro tonga ianao
tomaratra toa havana
ny lokon-danitrao
manga mavamavana.
Ny tanan 'ankavia
nanolotra fitia
ilay ankavanana
nizara fiadanana
k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhj/omeo-hery-sy-finoana | Omeo hery sy finoana | rhj | Omeo hery sy finoana aho
Hamafako irony lasa
Sy ireo zavatra kinasa
Nandradraiko hisondrotra avo
Nefa indrisy izao fa lavo
Omeo hery sy finoana aho
Hikoloiko izay tsy main'
ilay afo iray nandrehitra
Nanakila ny habakabako
ny habakabaky ny nofiko
Omeo hery sy finoana aho
Hisondrotako, handatsako
Ny feon'ny n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pasteur-ramiandrisoa/tsantam-pitiavana | Tsantam-pitiavana | Pasteur RAMIANDRISOA | Tsantam-pitiavana
Na inona teny aloaky ny vavako,
Na inona endrika asehon’ny tavako,
Na tenin’anjely no enti-milaza,
Na teny madera mihitsy koa aza
Kanefa ny foko tsy manam-pitiavana,
Varahi-maneno sy vy mikarantsana !
Na inona na inona faminaniana,
Sy zavatra miafina, nefa torina,
Ampian’ireo fahalanana eran-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/fandresena-mahonena | Fandresena mahonena | Ny Kanto | - ‘Izay maharesy tsy hobiana,
Ny resy kosa tsy akoraina’
Fahendren’ny malagasy
Raha milalao ny fireneny.
Milalao vao fandresena ?
- Tsanga-nofy mihafihafy!
Tsy izany intsony no miseho
Raha nandinika aho ‘zareo
Fa ny hihoatra foana hatrany
- Tsy misy fetra ny eto an-tany ?
- Tsy efa tojotsika ve ny farany
Met... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/fiandohana | Fiandohana | Tsiky dia ampy | Sarinteny manahoana no hanombohako ny "antsika"?
Voambolana toa inona no hahalaza ity tantara
Tantara lava vao miandoha
Sasinteny fampidirana
Dia efa pejy maromaro. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/mbola-tia | Mbola tia | Ny Hasina Heritiana | Tsy nampaninona ahy ireo ratra navelanao;
Ka nahatonga ny fanaintainako rehetra;
na ny foko nivoa-dra, voatsindronao;
Dia tiako ho fantatrao fa...
Ny fitiavcako anao mbola mitoetra.
Na im-piry ianao nandao;
ka namela ahy ho irery;
Dia aoka ho fantatrao;
Fa ilay endrikao hitoetra;
ho fahatsiarovana tsy ho very.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/hetaheta | Hetaheta | Ny Kanto | Misy fitia mitsiry any lavitra any... atolotro ho an'ireo namako ireo izany ... miaraka amin'ny firariantsoako.
Tia anao aho, eny tia anao,
Nefa tsy haiko ny milaza
Ilay afo manambara
Ny fitia an-tratrako ao.
Ny rano nantsakaina
Androany sy omaly
Toa raraka sy maina.
Ny anio ‘zao no antenaina.
Mangetaheta foa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitana/ho-aniza | Ho an'iza ? | Tsitana | Ho an'iza ? hoy ianao
ny hifohazako maraina
miasa tsy malaina
isan'andro vaky izao.
Ho an'iza ? ihany koa
ny aritoriko efa ho lava,
torimaso tsy misava,
tsy ho anao avokoa .
Ho an'iza ? ny tanako miepaka
ny lohako mila hitresaka
ny endriko mihamalo
isaky ny secondra iray mandalo
Koa mitsikia ianao
fa hosas... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitana/setrasetra-mpiainana | Setrasetra-mpiainana | Tsitana | Setrasetra-piainana
Teny roa mangeja ny tsy vonona hitraka,
teny Mahalavo ireo voatsipaka sy voadaka,
ho tsy afaka hiarina intsony,
fa setrasetra-piainana hony.
Soa fa misy ihany ireo mino fa ao ambony:
Misy ray mahery,
mamomba sy mijery,
tsy miafina na miery,
mahita zay tsy rariny atao ety an-tany;
ary dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nasolo/fanafody | Fanafody | Nasolo | Manirery fa lavitra ny akany
Misentosento foana fa te hitomany
Lavitra anareo ka manin-te hody
Ny alaheloko aty tsy sitram-panafody
Mba manao ahoana 'zay Ikaky sy Ineny
f'izaho aty mangina tsy mba misy mpiteny
Mba manao ahoana koa ny havana rehetra
fa ny aty mangina tsy mba misy mpitsetra
lavitra anareo ka sing... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nasolo/fanafody-1 | Fanafody | Nasolo | Manirery fa lavitra ny akany
Misentosento foana fa te hitomany
Lavitra anareo ka manin-te hody
Ny alaheloko aty tsy sitram-panafody
Mba manao ahoana 'zay Ikaky sy Ineny
f'izaho aty mangina tsy mba misy mpiteny
Mba manao ahoana koa ny havana rehetra
fa ny aty mangina tsy mba misy mpitsetra
lavitra anareo ka sing... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/vahiny-antaninolona | Vahiny antanin'olona | Ny Kanto | Olona tsy manan-taratasy efa ho 2000 no nidina an-dalambe tao Parisy ny asabotsy 21-08-04...
Nilahatra omaly
Ireo tsy manan-taratasy.
Nanao mita-be,
Sahisahy tsy nihafihafy.
Niaraka aminy eny
Ireo namana mpanohana,
Nitabataba vazavaza:
„Ny akamako aza mba kasihana !”
Ny asa izay iriny,
Ny trano tiany onenana,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/saosim-pitia-na-epice-damour | Saosim-pitia na "epice d'amour" | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | SAOSIM-PITIA na « Epice d’Amour »
Efa nampoiziko fa ho avy ianao
Saingy niniako niafenana aloha
Fa raha ny amrina? Ambarako anao
Ny mihaona aminao tena tiako tokoa !
Mba hampatsiro an’ilay fo mitia
No nanaovako fangalampiery toy ireny
Fa ny handà anao ataoko sanatria
Ary fietsika ny ahy no solom-bava miteny
Ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/papillusion/dinidinika-kely | Dinidinika kely | Papillusion | Sokafy ny masonao dia ho hitanao
fa tsara ny mijery
karazana loko, mahafinaritra
karazana endrika, mahatalanjona
zava-manan'aina, mahagaga
karazan-javatra maro, mahatsikaiky
Sokafy indray ny fonao dia ho tsapanao
fa kanto tokoa ny
mitia ny tena mahafinaritra
mihevitra ny tena mahatalanjona
mampahafantatra ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitana/hafatra-3 | Hafatra | Tsitana | Handeha ialahy ry Fetsy
handalo any aminy any;
ka mba lazao azy letsy
fa mbola ato ihany;
ilay olona iray
matiny fitiavany;
fa ny elanelantany
no tsy namela azy hiampita;
ampian\'ny fahantrany
zay lavitry ny ho vita.
Mbola tia hono hoe,
ho avy ihany koa,
hamerina indray
ireo natao taloha;
Satriny foana ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/tiako-ianao-2 | Tiako ianao !! | aladin | Tiako ianao,
N. ... a, tiako ianao
tsy fitia an-tendro molotra
fa faniriana am-poko ao
ny hiara dalana aminao,
indraindray aho manontany tena
harena ve no omena ?
tsy porofo anefa izany
satria ho foana sy ho lany .
Ny toky teny tsara lahatra
mety ho lefy sy hitsahatra
Ny sarobidy indrindra angam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana-ramanantoanina/hataka | Hataka | Ny Avana Ramanantoanina | Omeo anay, ry alina,
Ny fahanginanao,
Fa be ny zava-dalina
Izay miafina ao.
Omeo anay, ry volana,
Ny fibaliakao;
Ny fo izay mifanolana
Mba samy hazavao.
Omeo anay, ry kintana,
Ny fandeferanao
Fa sompatra ny vintana
Ka tsy hita izay hatao.
Omeo anay, ry rahona,
Nv fiafenanao;
Mangidy toy ny vahona
Ny adid... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/mindram-betso | Mindram-betso | Lanto | Mindram-betso sisa
Dia mahatsiarotsiaro...
Raha mba te-hikalo,
Rehefa sendrasendra lasana vinany
Te-hampitepo fo
D'indramiko ianareo :
Ireo hafalianareo
Fitiavana mivay
Afa-manantena ho avy tena iray
Dia tsaroako avy eo
F'izaho efa nandalo
Io toerana io koa
Ary tena nino.
F'izao ? mamisavisa
Sy mindram-be... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/hay-ve-1 | Hay ve!!!!!! | Ny Hasina Heritiana | Hay ve ka ilay hoe tia hatrizay;
naverimberinao foana;
ka an-tendro-molotra ihany;
na koa angamba teny tsy tsaroana???
Hay ve ka ilay fitia natolotro;
nataonao an-tsisi-tosy;
tsy nasianao maso akory;
fa nilaozanao natory.
Hay ve ilay fitiavana ;
noheveriko ho mamy;
nitondra ngidy izay mafaitra;
nahatonga ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitana/mbola-lavitra-ny-dia | Mbola lavitra ny dia | Tsitana | Nahoana ianao no reraka sahady?
nahoana no dia milavo lefona ?
nefa mbola tsy mifarana ny ady!
Tsia an! aza avela hiketrona !!!
ny tavanao malia,
fa kosa mitsikia
fa mbola lavitra ny dia.
Nahoana ianao no mihoby
ho nahazo fandresena?
kanefa mbola tsy tody
amin'ny tanjona kendrena !!!
Aza de miriaria
maka ai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/mpianadahy-nifankatia-ho-ani-andy | Mpianadahy nifankatia | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | MPIANADAHY NIFANKATIA
Na dia any lavitra any aza
No misy anao dia tsarovy foana aho
R’Ilay mba nofidiko sy nekeko
Ho malalako mandrakizay, ho ravaky ny fiainako!
Na dia tsy hihaona intsony aza
Izaho sy ianao dia mbola antenaiko
Fa any andro iray, hatsiarovanao
Ilay teo anilako fahiny, nahafinaritra anao !
Fa t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/namana-3 | Namana | Oully | Nifandimby nampijoro
Anjara birikiko nikoro
Mampanantena fandresena
Anaty fiondreham-paharesena
Nitia tsy niandry takalo
Anatra mahahendry fahavalo
Gare de Lyon, 08 aogositra 2004
An'ireo namana nanampy tao anaty ady sarotra, nandritra ny diako, tamin'ity fialantsasatra ity - 17 jona / 08 aogositra.
ITALIE: Ars... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/sandoka-ho-anilay-nisandoka-ho-zoky-malalani-zandry-tsy-foiny | Sandoka | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | SANDOKA
(Ho an’ilay nisandoka ho « Zoky malalan’i Zandry tsy foiny »)
Na izaho na ianao
Dia samy tsy misy hoe :
“tompon’ny sandry !”
Fa matimatiny
Sy Rain’ny hambo
Ho “Zoky” sy “Zandry”;
Matin –kiriana !
Nefa tsy isan’antonony akory
Fa rava ho azy…
Tsisy tafiditra ho fianakaviana !
Mino aho
Fa maro ny hani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajani/lavitra | Lavitra | hajani | Raha andao anao aho anio,
Dia izao no tsarovy sy mba tadidio,
Ny fitiavako anao,lehibe tokoa,
Ny tenako no lavitra ,ankaiky ano ny fo.
Ny lavitry ny maso hono ,lavitry ny fo,
Tsy marina izany raha ny antsika roa;
Ka na inona hitranga ,na inona hidona,
Ny anaranao foana no indro tsaroana.
Mamy tokoa ny eo anila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/ny-haisoratra | Ny haisoratra? | HASINIONY | NY HAISORATRA ?
Fototra iray maha kanto ny Haisoratra,
Ny fahaizana mandrindra ny loko sy ny sary
Zanaky ny misy ireny ka tsy maintsy aboraka
Ritsohan'ny natiora sy ny bitsiky ny Voary...
Ireny indrindra no mivoy sy mamelona azy hiaina,
Voavoatra an-talenta mba haniry sy hamaka
Hampiontana fanahy sy hanintona ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/rehefatsy-lasa | Rehefa...tsy lasa | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | REHEFA…TSY LASA
Tsy nisy nilaza… tsy nisy naheno
Nefa dia samy efa fantatr’i FENO
Manodina foana ry zareo any,
Manodina baolina ho any an –dakira !
Manodina ngonina ho any amin’ny hira !
Manova ny lanitra ho tonga tany,
Manodina foana ry zareo any!
Ka angamba ny antsika tsy hatao resa –be:
“Tsarovy ihany ny ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/andriana-reraka-ho-ani-zandry-malalani-zoky-tsy-foiny | Andriana reraka | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | ANDRIANA RERAKA
(Ho an’i Zandry malalan’i Zoky tsy foiny )
I Zokinareo no efa miendrika “adala”
Ka sahy mihantsy ady
Tsy ahoana, tsy ahoana !
Vao tara – masoandro miposaka ny azy
Dia eritreretiny hoe:”lohataona
Sy mandrakizay.
Ianao mahalala, ary mahita foana
Fa n’inona taratra,
Ny olon –drehetra, na iza na i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/hasambarana | Hasambarana | HASINIONY | HASAMBARANA
Nitady ny hasambarana aho. Tsy taiza anefa ny hasambarana !
Fa tetsy anivon-tserasera izay migodana varavarana
Hay niandry ahy tao, ilay tovovavy iray tsotra
Vonona hifankatia sy hiarahako mizotra …
Nandeha ny tafa sy ny dinika, ny fotoana koa nisosa
Tsaroaka niha nahazo hery, ity tenako kanosa
Ny an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/voady-farany-ho-anilay-nisandoka-ho-zoky-malalani-zandry-tsy-foiny | Voady farany ( ho an'ilay nisandoka ho "zoky malalan'i zandry tsy foiny" | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | VOADY FARANY
(Ho an’ilay nisandoka ho “ZOKY MALALAN’I ZANDRY TSY FOINY”
Efa nivoady aho hatry ny omaly
Fa lamba hapetrako mandrakizay
Ny resaka NAMANA !
Nively rano aho raha vao nifamaly
Fa ataoko afo nandoro ny lambako
Raha ny FIHAVANANA!
Raha izay lokaloka tsy nandriako izay,
Dia ny hihevitra anao ho toy ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/voafintana | Voafintana | Ny Kanto | Voafintana
Manasa anao hono hiditra.
Hividy sy hivarotra,
Hilalao ny soamiditra.
Araho ny dokam-barotra.
Dia lanio ireo tahiry,
Midi-trosa, midi-kizo,
Fa tsy ho renao ny hirifiry.
Toe-karena hono no voizo.
Aza mitsahatra hono mihinana.
Vokiso tsara aloha ny kibo,
Ankimpio ny maso raha mahita
Ny mangetaheta ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/nefa-iza-no-hino | Nefa iza no hino ? | Ny Kanto | Nefa iza no hino fa tapitra
Kila sy may ilay rovanay?
Nefa iza no hino fa rovitra
Sy rotidrotika ilay tantaranay?
Nefa iza no hino fa vaky
Niparasadrasaka ilay fitaratray?
Fa adala hoy aho izay minomino
Sy sahisahy hilaza fa afaka hitia
Mihaza fitia dia ampiany hoe fihino
Ilay minitra iray nandavo ny fony
Sat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/misoko-mangina | Misoko mangina | Ny Kanto | Ilay erikerika madinika
Vao mangiran-dratsy
Mirotsaka, mampita
Ny alahelo toa tsy tanty
Voasolo mora teo ny tsikiny
E sahady koa nihintsana
Ireto felana sy vony.
Ririnina manitsaka,
Sahy mandrara lohataoana.
Voafetra hatramin’ny fony
Ilay volana misandratra
Sy masoandro lentika,
Ampara-tazana mamoha
Tsiam... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.