url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/angamba-tsy-hadisoako
Angamba tsy hadisoako!!!
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Angamba tsy fanahy iniako, izao taratasy izao Fa noho ny halavirana sy ny maso te hahita Nefa tsy afaka hijery ny salovan-tavanao Tsy hoe, fahamenarana hiresaka Hifanatrika aminao Fa noho ny sakatsakana Mpahazo ny mpifankatia Dia nataoko ihany izao Nataoko ihany koa Mba hamalifaly, hosaintsainonao Rehefa, ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/intsony
Intsony
Oully
Porofo : Miantso izy, fa Tsy ny anarako intsony Mihaino izy, fa Ny resako ihany no hamavoiny Ohatra: Manangana izy, fa Hiafaràny sy iny olon’iny Mandrava izy, fa Ny fifankatiavanay feno tsiny (hono) Manondraka izy, fa Felana hafa no mamony Mioty izy, fa Nofidiany tsara izay ambony Hany hery dia ... Manaf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketsa/injay
Injay
Ketsa
Injay fa tonga indray ilay embona miainga avy any alavitra any Moa va izaho no mahatsiaro sa enao no mieritreritra ahy Fotoana fohy monja no any niarahantsika Nefa kosa toa mafonja harovako tsy hangatsiaka Taona maro izay no efa nifankahalalana Mifamantatra taminy soratra sy sary Ankehitriny nihaona ireo vatantsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/harenako
Harenako
raozigasy
Harenako, Tsy volamena sy harena na vatosoa tsy taka-bidy na volafotsy saro-bidy tsy volabe, sy tranobe na valabe tsy taka-basy na lovabe an-taratasy Izay tsy ananako fa ny teniko, ny peniko ny soratsoratry ny tanako ny sombintsombin-tonokaloko no harenako fananako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hataka-1
Hataka
raozigasy
Nandray ny peniko aho androany,tsy haiko izany hoe hitomany, Fa dia taratasy ihany, no mba fizarako izany, Taratasy nefa haninona ? ary penina ho aiza ? Tsy hanambitamby tsinona, na hampionona hitaiza Nefa dia noraisiko ihany, hizarako ity kapoaka Ity alahelo, ity tomany, tsy afaka, na te hitroatra Fenobe ny fok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/rivo-doza-tahaka-izao
Rivo-doza tahaka izao
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
RIVO-DOZA TAHAKA IZAO Tonkalo fampidirana : TANTARA : Efa mba nilokakoka aho Fa hanoratra tantara Ho an’I BERONONONTSIKA; Dia ataoko izany anio ! Ianareo mirahalahy, Niara –niari –pijaliana Teo an –tany fiadiako : Niasa tamin’ny fo madio ! Izay vita dia tantara Fa na dia ny taranako aza Tsy maintsy hamela...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/mafy-orina
Mafy orina
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MAFY ORINA Rediredy ka lazaina Eritreritra tsy mandry… Mandry tsisy eritreritra ! Fa hiverina impiry Izato fatram –barin –jaza Vao haharitra ny onibe Na ireo farihy malaza ? Rediredy mitsikasina ! Fa impiry hatsàka ianao Vao haharitra ranomasina ? « Firifiry » impiry ? Fohazy indray ny nodimandry Raha mbol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/fa-ahoana
Fa ahoana
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
FA AH0ANA ? ( ho an’i TSIHOARANA POETA ) ‘zao sombin –teny izao no nosoratako ho an’ise, fa tafahoana indrindra Izahay sy I Neny omaly, Ary tafaresaka ! Taitra aloha I Zoky e ! Niahotra fiteny ! Tsy taitram-bara –datsaka Na raho – nisalondo ; Tsy lanitra nitresaka ! Fa taitra tena taitra Amin’ny fahendren’...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/teraka
Teraka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TERAKA (Ho an’ny TAFARAY rehetra, Faritra AMBATOMANOINA) Tena sarotra hadinoina Ireny lasantsika ireny, Tsy arakaraky ny omaly ! Sary tena manana aina Eo imason’ny tantara Sy ny vitrana mihaona ! Tsy nahamainty ny molaly Izay nololohavintsika Nifamoizana aman –taona. Fa mitraka izao ny teny, Lasa hirahiran –...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/29-martsa
29 martsa
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
29 MARTSA Rehefa tena nohalalainiko Ary nozohiako hatrany ; Dia izao no fahitàko : Tsy tokony hisy fety mihitsy Eto an –tanindrazantsika, Tsy tokony hisy hikoràna Na hiravoravo akory; Tsy tokony hisy mihitsy kianja Handrenesana lamako. Fa tokony olona hitomany ! MADAGASIKARA ONTSA No tazanina eran –tany :...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/maina
Maina
raozigasy
Maina teo ny molony Ka ts’isy izay voatonony Ny teny tiany ambara Fa tonga dia voarara Nakombona ny vavany Nikentrona ny tavany Hatramin’ny feony kenda Maina hatramin’ny tenda Fa notapahin-doha Ilay fitia vao nifoha Nakatona ny fony Tsy hahay hitia intsony
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/raha-sanatria-ka-hiova-koa
Raha sanatria ka hiova koa
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
RAHA SANATRIA KA HIOVA KOA Raha sanatria ka hiova koa Ianao ry hany ianteherako Dia hakomboko ny molotro Havadibadiko ny lelako Fa tsy misy intsony toky Azo hitokisana, eto ambonin’ito tany Fa toky rambaramba Imolotry ny vava ihany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketsa/setrinilay-tonkalo-adala-ve-ny-tia-sy-sarotra
Setrin'ilay tonkalo " adala ve ny tia? sy "sarotra"
Ketsa
Rahoviana no hifanojo ilay fitiavan’olondroa, Rahoviana no hihaona ilay fo roa tena tia tokoa Sarotra ve ny manantena fa any andro any volana Mbola hisy ilay maraina hilaminan’ny fo sy saina Ny adala no tia sa izay tia no adala Izaho jamban’ny fitia Moa ve te hahalala ? Ka raha ho avy ilay fotoana hitodian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/tahaka-ny-tenako
Tahaka ny tenako
Ny Kanto
Setrin'ilay tononakalo "hataka" nosoratan'i Raozigasy. Na inona sedra mahamay Sy alahelo mety hampahory Na adin-tsaina tsy ahitan-tory Sy tebiteby mampangorohoro Dia tsarovy fa tsy irery ise F’indro aho hijoro ho tena namana Vonona hihaino sy te-hanome Fanafany kely izay azo vimbinina Hiaraka hitady izay vahao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mami/halatra
Halatra
MaMi
HALATRA Nantenaiko anie isika Hoe samy tampi –maso: Samy jamba, samy tia. Feo no nifandraisantsika Antsoantso hoe andraso Nino izany aho satria : Nitantaràna fa efa jamba Ny maso roa voatampin –damba Nefa… hay nisy ihany halatra Taminao hahalala ny amiko Sy izay miafina ato am –poko Dia mody hoe : “hiandry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/sao-dia-mba
Sao dia mba
Tsiky dia ampy
(Setrin'ilay hoe "Indray andro tany an'ala" an'i Bichette) Sao dia tsy hazo tsara No nangalako voa Tao anaty ala? Sao dia hazo boboka Tsy hita hianteherana Ho tapaka tsy ho ela. Sao dia vaha nandady Nanaraka ny taho Tsy afa-nifamela? Sao dia tsy matoy F'izaho no efa zatra Sy tia mivezivezy? Sao dia mba voa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/malala-4
Malala
raozigasy
MALALA O! Malala o ! tiako ianao, Malala o ! tena tiako Tsy noho ny endrikao, izay haingom-pifaliako Na koa ny bikanao, voarakitry ny jeriko Sy izay rehetra anao mameno, ny ireriko Fa noho ianao nahay nahary ny fitiavako Satria ianao kay Ilay tiako ho “rahavako” ireo rehetra efa tiako, sy zava-niriko No ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/takalom-pitiavana
Takalom-pitiavana
Nirhy-Lanto
Fitiavana ihany, Rahavana ! No hany takalom-pitiavana ; Ny zavatra ivelan'izany Dia lainga sy fitaka ihany. Ny vola natsanga-ko vahatra, Marefo mitovy amin-jahatra ; Tsy manda-pitiavana ireny Na lambolamboin'ny fiteny ! Fitiavana niara-narendrika No manda mahery sy mendrika, Ka manda no sady harena Fa rado n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/namana-ventso-serasera-ny-kanto-bichette-malalason
Namana vetso serasera
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
NAMANA VETSO SERASERA (Ny Kanto, Bichette, Malalason) I serasera no iresahana Satria isika dia mpinamana Natambatry ny tononkalo Ho tahafin’ny mpandalo Hitantara zava-maro Ny soa sy tsara mifangaro Izay voarindra sy voalanto Sa ahoana hoy Ny Kanto? Ny vetsovetso no alefa Any aminao mba hiantefa Hampiseho ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ngadona-sy-rima
Ngadona sy rima
raozigasy
Fa ianao no gadona Ary izaho no rima Raha tsy eo ny gadonao Tsy miteny ny rimako Raha tsy eo ny rimarimako Very endrika ianao Ka ianao sy izaho Dia gadona sy rima Mahatonga tononkalo Tonon-kiram-piainana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/miafina-sandrah-laingo-zoely-nambinina
Miafina
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
MIAFINA (Sandrah, Laingo, Zoely, Nambinina) Any ambany ravina any Ao anaty vovon-tany Misy vatosoa miafina Any anaty ala any Eny antsefa-dongon-tany Misy vonin-kazo miafina Tsy tazanao raha jerena Fa hafenin’ny hatsarany Sy felany mamony Ka raha fitia vao hambolena Handravahana ny tany Dia vonin-kazo toy i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/aleoko-mihono
Aleoko mihono
Ny Kanto
Raha vao lasa ianao Nandrindrina ny foko Ho lao toy ny fonja Dia indro teo fa tonga Ilay sakaizanao akaiky Niezaka efa saiky Hamboraka hampiaiky Ireo tsy fantatro aminao Tsy tena haiko hono ianao Nampoiziny ihany izao F’izaho ilay tena tia iny Hay jamba sy sondriana Ireo tsy fantatro aminao ? Tsy sahiko an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vao
Vao
raozigasy
VAO Vao ny sarinao no hitako Vao ny anaranao no henoko Dia loza ny fangitakitako Ka noraisiko ny peniko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/riam-bato
Riam-bato
Nirhy-Lanto
Raondraona no re any ho any, Mahajemby ny fo fanimpanina ! Hay ka akon'ny riam-bato ihany No manako any am-po toran-tany ? Any ihany tsy hita hatazanina ! Rivodrivotra injay no mitsoka : Safosafon'ny tavako haraka ! Hofa lamban'ny vola-misoka, Sa fitsiky natao hanodoka ? Fiononan'izay tafasaraka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-hoe
Tsy hoe . . .
raozigasy
Tsy hoe . . . Tsy hoe ange mioty manta Fa mba tsindrin-daona Te hanantena hanta Rehefa hoe mihaona Tsy hoe ange maimaika Ka hioty ny mangidy Fa lay fitia nitsaika Ka tsy nanam-pidy Tsy dia hoe te-hisantatra Ka haka marikivy Ka fitia tsy fantatra No ndeha hatao hahakivy Fa . . . Ny tsiky izay natondraka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/mety-ve
Mety ve ?
Ny Kanto
Mety ve : Raha fitia matory No hotairinao, hofohazina satria ianao no taitra Raha Voankazo mbola manta No handramanao hotazana satria ianao no maika Raha ny alin-diavolana No lazainao fa atoandro satria ny masonao jambena Raha orana mikija No hanondrahanao fitiavana satria 'zay no tianao omena Mety ve ? te...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/eny
Eny
Oully
Ho setrin'ireo tononkalon'i NyKanto, Bichette, Raozy, Arcane ... Satriko hampangina Hanao fanahy iniana Fa ny foko zary fay No tsy mbola mahay Sendra "Tsy fioty manta" ve? Sa rariny ny "Tsy hoe ..." Sadaikatra amin'ny "Kilalaon-teny" Setrin'ireo hafatra, ny "Eny" Manaiky aho.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ny-vehivavy
Ny vehivavy
Nirhy-Lanto
Ny olombelona rehetra dia torina fa mitovy, Saingy misy kosa anefa mbola tia manavakavaka ; Ireny no manora-tena toa voatango ka tsarovy, Fa kiniaviny ny hafa mba hivarina any an-davaka. Tsy ny tanjaka na hery, tsy ny volon-koditra aza, Tsy ny vola sy harena fototry ny toetra miavona... Izay mitory fitoviana, ire...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/miafina-sandrah-laingo-zoely-nambinina-1
Miafina
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
MIAFINA (Sandrah, Laingo, Zoely, Nambinina) Any ambany ravina any Ao anaty vovon-tany Misy vatosoa miafina Any anaty ala any Eny antsefa-dongon-tany Misy vonin-kazo miafina Tsy tazanao raha jerena Fa hafenin’ny hatsarany Sy felany mamony Ka raha fitia vao hambolena Handravahana ny tany Dia vonin-kazo toy i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/midongy
Midongy
raozigasy
Midongy ny foko ka mihidy ao an-trano Tsy mety milaza izay faniriany Matahotra hono sao mahita angano Raha toa ka mitory Fitia amin’ny tiany Midongy ny saiko tsy mety miasa Fa lasa nofy sy eritreritra lalina Ka be karajia amin’ny zava-kinasa Te hihaona aminao na andro na alina Ny dongin’ny foko sy dongin’ny sai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ranonorana
Ranonorana
Nirhy-Lanto
Injay lasa tampoka izany nofiko, Fa feo hafahafa no ren'ny sofiko, Feon'ny fianjeran'ny ranonorana : Mandresy ny akanga efa nanamborana ; Feo mampanembona an-tanin'olona, Feo mahakotsa ity fo vololona. Endrey ! izany foko fadiranovana, Misaina ilay tokana izay tsarovana ; Ilay tokana may sy mba notiavina, Toa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tazom-pitia
Tazom-pitia
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Tsy nosaininao ve ? Fa indray mitoetra monja Eo anilan-jazavavy! Dia misy hery hafahafa Toa tsinapa sy fihinina Ao am-po ka mankanavy?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ianao-tokoa
Ianao tokoa...
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Ianao... Eny ianao tokoa, ianao lay toy ny "Raozy" Na hitako aza fa feno tsilo handratra Dia tsy mahasakana ahy hioty anao izay Fa raha tsy tanteraka, na koa tsy anjarako Ny hampitoetra anao, ao anaty vaziko rahavako Dia inoako fa ho ritra, maina kina ilay rano Hany sisa mba tavela, ambiny izay efa Nanondrahako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/resim-pitiavana
Resim-pitiavana
Nirhy-Lanto
Ny fo mifanaiky hikambana Ho rafitra tokana irery, Imason'ny fefy manambana : Dia Hery tsy resin'ny hery ! Ny resy ka resim-pitiavana Dia resy tsy mana-tsahala Mandresy ny didim-pitiavana Sy toetra tsy tian'Imalala ! Hiaraka an-dalan-kizorana, Hizara ny tsiky satria Na erika mantsy na orana, Iray ny sarotrom...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/maro
Maro
raozigasy
Maro ireo olona seraseraniko Tsara fijery sy tsara fanahy Fa ianao ihany no tiako sy mamiko Fa ny jerinao no nambabo ahy Maro ireo tsiky nisalovalovana Nandrehindrehitra fotsiny ihany Fa taminao ny foko no tena torovana Ka tonga dia babo sy lavo avy hatrany Maro ireo bika te hatao hoe tsara Manaitra maso, te h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ny-itiavako-anao
Ny itiavako anao ?
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Ataoko fa tsy bika na hatsaran-tarehy No itiavako anao! Fa ny fahendrena sy hatsaram-panahy Tsy fitia kisendrasendra na lalao Fa fitia tena fitia, tsy manam-pahatamperana Miaina ao anatiko ao No itiavako anao Ary raha tianao ho fantatra NY ITIAVAKO ANAO ? Dia tsy fantatro mihitsy, na inona aminao? Fa tiako ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ny-kirinny-resy
Ny kirin'ny resy
Nirhy-Lanto
Ny fahareseko ! ny Faharesena .... Nampoizin-kanito ny kirin'ny tena, Dia rary nitahy ny asa ikikirana : Tsy boka herintaona izay te hisahirana ! Fa nisy nandresy, kanefa dia resy Dia tsontsa nitady ny soa an-kisesy ; Dia mbola mitoetra ho anatra marina Ny kirin'ny resy tsy maintsy tafarina ! Nafafa ny vala, ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fyjl/ianao-fa-tsy-izy
Ianao fa tsy izy
FyJL
IANAO FA TSY IZY Nahoana aho no dia nahiliny Ka tsy mba nojereny akory? Ny fijeriny naviliny Mitondra ho azy sorisory Nahoana aho no navelany Tsy ho azy fa napetrany? Dia nakopany ny elany Ka tsy ho ahy izay rehetrany Tsy nahitany hatsarana? Sa dia leo tsotra izao? Ny fony dia efa norarana Ka dia nentiny na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arcane/kilalaon-teny
Kilalaon-teny
arcane
Kilalaon-teny Setrin'ilay tononkalon'i NY Kanto hoe Tsy fioty manta Ny voa nafafy sy mbola tsy haniry Ny hazo mamoy fa maitso tanora No azo hiafiana sy andrasan'ora Fa tsy haiko didina ny foko maniry. Na ngidy na mamy no sisa tahiry Na embona izany, na zary tomany, Ny foko tsy tany fa mitempo ihany Ferako hang...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ianao-irery
Ianao irery
Ny Kanto
Nafoiko ilay fitia Mety ho tsara indrindra Tamin'ireo izay hitako rehetra. Navelako satria Ianao no ho ekeko. Aiky fitiavana. Narindriko ny foko Ninia koa tsy handre Ireo kanto hafa soa. Nakatoko satria Ianao no ho tontoloiko. Tontolo fiainana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/niriany
... niriany
Oully
Fitiavana nindramina Efa vasoka sy lao Mbola vao halamina No indro sendra anao. Fitiavana tsy ahy Fa halaina an-tsokosoko Hahavaky ny fanahy Saingy hampitony ny toloko Fitiavana adala tompo Natositosika fa botry Nanjary zatra ny nanompo Niandrandra foana rotsirotsy Fitiavana nananako fahiny Fony mbola tsis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hariva
Hariva
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
HARIVA Dia iny hariva iny ve No hany hariva tena farany Nahitanao ny tavany ? dia lasa aiza izy avy eo ? Sa tsy fantatrao ny havany Mba mpitsidika anareo Fony mbola tsisy ny ady? Ary hariva nanao ahoana Tamin’izay hariva rehetra Iny takariva iny ? Fa najavona ny fony Dia adinonao ny anarany, Dia tsy sitrak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ianao-irery-1
Ianao irery
Ny Kanto
Nafoiko ilay fitia Mety ho tsara indrindra Tamin'ireo izay hitako rehetra. Navelako satria Ianao no ho ekeko Aiky fitiavana. Narindriko ny foko Ninia koa tsy handre Ireo kanto hafa soa. Nakatoko satria Ianao no ho tontoloiko Tontolo fiainana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/andao-ho-tonga-saina
Andao ho tonga saina
raozigasy
Na hampitanjahana aza irony tendrombohitrao, Na doroina ho mainty koa ary tsy ho maitso intsony, Na kapaina sy fongorina ireo ala miaro anao, Ka potehina avokoa, ireo haingonao tsy hamony Dia tanindrazako ianao Eny, na dia tany mihotsaka sy renirano maina kina, Eny na dia “lavaka” aza, no sarisary mba nasolo ‘ty...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/methode/malagasy-mahaleo-tena
Malagasy mahaleo tena.... !!
Methode
Malagasy mahaleo tena.... !! Ry Malagasy maro, aman-tapitrisa, mponin’Iharana Sokafy ny tsiaro, samia mamisavisa, oviana no nisantarana Ny fahaleovan-tena, fiandrianam-pirenena, androm-pahafahana Mahaleova, mahorena, tontolom-pandresena, tontolom-pahafahana Enina amby roapolon’ny volana jona, taona enimpolo Intel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sokafy-ny-fonao
Sokafy ny fonao
raozigasy
« Sokafy ny fonao » izay no teny farany nisarahantsika teny anefa izany teny tsotra ihany fa ao anatiko ao toy ny ao anatinao efa nisy fo iray fa te ho roa fo efa misokatra fo efa mamokatra mamokatra fitia te ho any, te ho aty tsy tokony hoe sokafy angamba no nafafy fa teny hoe “sahia” mianatra mitia n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ny-foko
Ny foko
Nirhy-Lanto
Tsy pika na vonim-boahirana Nalaiko tanivo'ny kianjany, Na felana hafa sy mirana Ravahan'ny fanjany... Manintona ireny kanefa Halazo ka mora milefa ! Izay efa nambaran'ny peniko, Ny rary mivoaka ny molotro, Tsarovy ! ivelan'ny teniko : Ny foko no atolotro ! Nibaiko an'izao teniko izao Ny fo izay atolotro ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/dera-ho-ani-deratarafina-raoelison
Dera
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
DERA ( Ho an’i DERATARAFINA Raoelison ) Ny hoe : « NOFY » aloha, « TSY HO NOFY ! » Nefa sarotra antenaina ‘zay fipodin’ny tantara Ho toy ireny lasa ireny; Angamba hain’ise tsara Ireo tsiaro sy tadidy Tamin’ny zava –nolazaina Na tamin’ny sangisangy vita. Indrindra izaho ilay miteny hoe : “DERA MIAFINA… DERA T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ny-fony
Ny fony
Nirhy-Lanto
Ny fony no tompon'ny foko Izay tokana tsy azo sasahina, Mihidy, voahombo, voaloko, Ka tsy azon'ny hafa fitahina. Fa ô ! vona baibona mafy, Ny hombon'ny dina, Rahavako ! Na inona bala hifafy, Hajaiko ny dinam-pitiavako. Ny lango, ny bika, ny vola, Dia satriko kosa ho tsorina, Fa bala tsy mety hahatola Ny mand...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/tsy-fioty-manta
Tsy fioty manta
Ny Kanto
Setrin'ilay tononkalon'i Oully hoe ... niriany. Ny fitia anie tsy fioty manta Koa aza maika hisantatra Ny mbola maitso sy marikivy Sao sendra izay tena mangidy Fa mahaiza miandry ny mamy Ilay mety ho fararanon-tomany Soloy ilay amboaram-pitiavany Masaka amin'ny fotoanany ... Irio f'izay no tena iriany... F''i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ankamantatra
Ankamantatra
raozigasy
Inona ary izany, raha mba fantatrao Nanjaka teto an-tany, manjaka hatramin’izao Henika azy io ny rehetra fitadiavana Miteraka hasiaka tsy fahalalana havana Inona ary moa, raha fantatrao lazao No mahatonga ny olona ho tia kilalao Rehefa manana azy, tsy mahafehy ny tena Mahavatra manadino ny fiainam-pirenena Inon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/lay-fitiavana
...'lay fitiavana
oceane
Ny amiko rehetra miafina aminao Fitia tsy manam-petra no toa natolotrao Tsy hitanao akory ilay foko toa tsy tia Ianao minia matory manolotra ahy fitia Niezaka aho ny hanadino ilay fitia taloha Saingy toa tsy mampino nipongatra io, nifoha Hany hery sisa nandao anao tsy satry Nandeha hamisavisa ilay fitiav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/maontina
Maotina
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Tsy tao an–tsainao angamba Fa ireny hoe : “POETA” ireny, Tsy fiadiana velively Na vavàna toa adala Rehefa sendra anao tsy zakany ! Fa mangina fotsiny izy Ary maka saina kely; Dia ianao no hosoratany Ary ianao no hotantarainy Amin’ny kalony onena : Olo–maotina, Sakaiza, Ireny hoe : “POETA” ireny Fa ianao no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/jona-2002
Jona 2002
raozigasy
Adino kely ny krizy, rehefa faly ny ankizy Tazano eo an-tanàna Efa anikeheo Ny ankizy mikorana Mifaly ry zareo. Ireo vantovantom-bavy Mihoraka, mikiaka Eo am-body goavy Mifampidera bika F’ireo tovolahy Isak’izay mivoaka Miseho sahisahy Manipy tsipoapoaka Ny vavikely indray Revo mifanadala “jereo ange ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/tokony
Tokony
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TOKONY Nefa laingalainga kosa Ary izaho aloha tsy mino, Raha ny maro taminao No hahavatra hanadino Ny fiarahantsika teto Na ny sangy fotsiny aza ! Laingalainganao sakaiza Raha ho fatinao ny anarako Na aiza misy ahy, na aiza ! Fa nikiry hatramin’ny farany ‘lay sakaizanao mahery Mba handrindra fihavanana ! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ny-fanambadiana
Ny fanambadiana
Nirhy-Lanto
Ny fanambadiana nekena Dia zioga mifehy ny tena, Kanefa tsy misy fandavana Fa zioga rohizam-pitiavana. Ny fanambadiana nekena Tsy misy faneriterena, Tsarovy fa tsy azo kotehina, Ny hisy ny mafy hatrehina. Ny vady tsy hafa satria Fa tenan'ny tena mitia : Fatorana tsy azo sarahina Sy tokana tsy azo silahina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/fotsiana
Fotsiana
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
FOTSIANA Dia maty moa sakaiza ‘reo olo –menavazana ! Ireo nisoron’aina Nitaky fahafahana ! Ireo nanao vivery Ho an’ny Firenena; Ka fongana sy lasana ! Maty ireo sakaiza Dia nasitriky ny fasana, Fa maty hatreo koa Ny FITIAVAN –TANINDRAZANA Tato aoriana mantsy Ny zava –nisy sisa, Dia ronono an – tavy Tsy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hiposaka
Hiposaka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
HIPOSAKA Ireny hirantsika ireny, Nokaloina ho tadidy ! Hirahira nampahatsiaro Hafanana sendra tonga ? Toa fanalahidy vao ! Ary ora sarobidy Nampahatsiaro nofy mamy : Nofy teo anilanao ! Ireny kalo mora ireny, Kalokalo sendra tonga Tany anaty tononkira; Kalokalo sy somonga Zary toa fitia nandrotsy ! Safosa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andy/fahatsiarovana-1
Fahatsiarovana
ny andy
Fahatsiarovana Fahatsiarovana miotrika anaty Apetrako ho velona mandrakizay Ho anao irery,ho anao mandra-maty Atao ho tsanganan'ny fo mifandray Tsy tontan'ny ela,tsy ravan'ny taona Sora-baventy tsy matin'ny gaoma Iriko izao ho tsaroanao foana Atao an-tadidy,tsy avela ho moana Rano sy vary no tanjona omaly Ore...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsara-ny-andro
Tsara ny andro
raozigasy
Tsara ny andro ka indreo Izay rehetra hitako aninkeheo Toa faly sady velom-bolo Toa miramirana daholo Na ny kely na lehibe Samy mameno ny arabe Maka izay mba tandrify Sao ilay masoandro ka midify Dia samy manao fitafy Tsy menatra na mihafihafy Ka na ambony na ambany Toa miboridana izany Ireo tovovavy no jer...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andy/iny-namako-iny
Iny namako iny
ny andy
INY NAMAKO INY Tompo ô! Italahoako mafy ny tananao mahery Hitantana ito namako mamy loatra ho ahy Ianao anie hijery Tsy hamela azy irery Fa homba lalandava,hanilo ny fanahy Itovizany aminao ...Iny namako iny Aza omena tsiny Aza avela ho resy Na koa ho lavon'izao tontolo izao F'ianao ka itokiako Ny finoako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ho-ani-voalohambokatra-avy-i-dada
Ho an'i voalohambokatra
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Efa firy taona izay Niandrasako ny sombinaiko Neny firy nokasaiko Hifantenana iray Mba hatao ho Mamanao Nefa ireny dia nandalo Nisari-monina daholo I Dada ve no ratsy vintana Sa ny lahatra no sompatra “Ny anjara anefa tsy midify” Hoy ny tenin’olon-kendry Vinavina mantsy izao Ny hoe : raha vao vitanay sy Nen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/tsiaro
Tsiaro
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TSIARO Misy ny tsiaro tsy mety voafafa Fa velona foana ao anatin’ny saina Mamela sento sy tsiahy hafahafa Manomboka alina mandra –maraina Misy ny tsiaro tsy mety matory Fa rendremana, dia taitra ihany Miarina mbola tsy fohazina akory Mitobaka foana fa tsy mety lany Misy ny tsiaro tsy inona akory Fa alahelo ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/elo
Elo
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
VOAFITAKA Toa izahay mpamangy foana ihany No azon –doza sy voakiana Ho mpanadala zaza mianatra; Nefa tokony ho hainao, Fa ny zanakao variana Milanjalanja kilalao Mitety namana sy tapaka ! Fa ny zanakao variana, Variana saingy tsy hitanao ! Ka ‘zahay mpamangy foana ihany No voakiana sy voateny Ho tsy mahalal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mitady-rima
Mitady rima
raozigasy
Niezaka aho nitady Rima mba hiady Amin’ny anaranao Nefa hatramin’izao Tsy mety mba nahita Angamba tsy ho tafita Hoy ny eritreritro Ny hafatra heveriko Ka ny rima hitako Dia ny fangitakitako Rehefa iny injao Izaho hiantso anao Dia rima adaladala Te hiantso anao malala Anatiko ao mangina Tsy sahy fa sao d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/voafitaka
Voafitaka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
VOAFITAKA Toa izahay mpamangy foana ihany No azon –doza sy voakiana Ho mpanadala zaza mianatra; Nefa tokony ho hainao, Fa ny zanakao variana Milanjalanja kilalao Mitety namana sy tapaka ! Fa ny zanakao variana, Variana saingy tsy hitanao ! Ka ‘zahay mpamangy foana ihany No voakiana sy voateny Ho tsy mahalal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tompo-o-ifonako
Tompo ô ! ifonako
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Manaiky aho Tompo, Fa nahavita hadalàna Nandika fefy nandrarana Nanentsi-tadiny taminao Nohevereiko fa lalan-tsara No nizorako, Hay tsapako ankehitriny Fa diso lalana ny teneko Dia aiza? Aiza no hiarenako? Iza no hamonjy ny aina amam-panahy Vaka izao ny saiko Ka hitodika; manontany hoe : Aiza ianao ry Mpiah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fanilon-ny-poety
Fanilon ny poety
raozigasy
Fanilo sy Poety, Teny samihafa Samihafa nefa mety Sy miaraka mitafa Fanilo manazava Fanilo mampirenty Mitarika, misava Ny lalan’ny Poety Poety izay fanahy Poety zary tsilo Arofanina Fefin’ny fanilo Fanilon’ny Poety: Fanahy sy hazavana Miaraka miventy Ny kanto sy hatsarana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/lasa-indray-ianao
Lasa indray ianao!
Ny Kanto
Lasa indray ianao Tsy niteny tsy nivolana Lasa aiza tsy haiko akory? Dia rahoviana indray vao hody? Ka ho herinandro sa iray volana No hiaretako tsy hatory Hiadiako irery sy hitolomako Hitolona ny fiainana Hitolona ny jaly Sy ny fanaintainana Izaho anie tsy mankasitraka Na misafidy aza izao Hiandry ny hiver...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/sarotra-2
Sarotra
Ny Kanto
Setrin'ilay tononkalon'i Malalason " adala ve ny tia ?" Tiako hijanona ianao Tiako handeha ihany koa Tsy hita izay hatao Hamela sa hihazona ilay fo ? Fa raha izao no hotohizana Dia hisy famoizana Hisy hiantso tody Sy hilaza hoe mpamitaka Nefa raha ilay tiako no mahay Mitia ahy tahaka anao Raha ny fotoana met...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/filazana
Filazana
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
FILAZANA Takianay ny FAHAFAHANA Sy ny fanapihan-jioga Ho an’ny TENY MALAGASY : Takianay hatramin’ny farany ! Takianay ny FAHALALAHANA Sy ny fiainany ara –drariny, Manomboka any an –dakilasy : Tsy maintsy azonay ny anarany ! Takiana ireo Mpitondra ambony Mba ho lalam –pitolomana Am –bava sy an –taratasy: “A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/fandrika
Fandrika
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
FANDRIKA Raha lazainy ho halany iny Ka mitady ho tiany ianao; Dia saino tsara ihany aloha, Fa sao ny sarobidy indrindra Sy ny ho avinao rehetra No tiany hatao kilalao. Fa izy zatra mitanisa Sy mitetitety vohitra Amin’iny hirany iny ! Izy zatra manambàka Sy misavitsavi-paosy Amin’ny olona iriany. Izy zatr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andy/narindra
Narindra
ny andy
Narindra Ny anaranao izay Fanonoko isan'ora Rehefa manimanina Mahatsiaro anao tsy tazako Anarana iray Tsy voavidy vola Lazaiko marimarina Fa lasitra ao am-bavako ...Anarana mamiana Manga fiantsoana Anaran'olon-tiana Fiantsàko foana Ny ainga mamy indrindra Ianao anie NARINDRA FARIBOLANA SANDRATRA Antanana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/saha-edena
Saha-edena
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Raha vao hitako ianao Dia nahatsiaro potika aho Ka ninia tsy te-ahalala Nikitika sy nanadala Ianao anefa tamin’izay Toa tsy nahajery ahy Fa nanondrika ny loha Raha nahita ahy teo aloha Ny topi-masonao Manitra ny ao am-po Ny tara-tsikinao Tonga lafatra tokoa Noharabaiko moramora Dia nijery kely fotsiny Rah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/adala-ve-ny-tia
Adala ve ny tia ?
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
“Tsy ambarako anao na adala na hendry f’izao no zavatra soratako” Rehefa lalim-paka Ka nanomboka nitsimoka Ary efa vaki-ravina Tao am-ponao ny fitiavako Dia nanambara ianao F’efa nisy tonga alohako Ary izy no voalohany ! Raha fantatro mialoha Sy nambaranao tamiko Fa izany no efa nisy Dia tsy nomeko tsiny ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maminiaina/ray
Ray
Maminiaina
Tsy mba misy mianatra Ho tonga ray, Fa samy entin’ny fiainana : Fiainan’olombelona, Fiainam-pianakaviana Fiainana sy fahafatesana. Tsy mba misy mianatra Ho tonga ray Kanefa indro mandrotsirotsy Indro mamahàna Indro milalao Indro mitantara Indro manambitamby … Tsy hianarana ny hoe ray Fa vokam-pitiavana : ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/mikobana
Mikobana
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MIKOBANA( ho an’i NAINA NIRINA ARTHUR) Mahatsiaro anao izy Matoa nandrindra kalo Sy bitsika ohatr’itony ! Mahatsiaro anao izy, Dia noho ianao nandalo Nanaloka ny fony ! Dia lasa notsaroany. Mahatsiaro anao izy Matoa tsy mety tony !!! Ianao angamba lasa Dia verivery dia Sy tototra koràna ! Ianao angamba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/kiady
Kiady
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
KIADY Na iza hisahotaka, na inona hipoaka Dia aoka aloha ho tony ny fihetsikao vahoaka Aty am –piandohàna Fa raha mirafarafa anaty tsilo ianao Dia tadidio tsara Fa tsy maintsy hazeran’ny lalana malama ! Ianao tsy mahalala fa ny olona efa niomana Nefa ianao indray tsy miandry hanatonana Fa tonga dia mivoaka; ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/voady
Voady
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
VOADY Hifamofo isika Dia hifampitantana Hanatona ALITARA, Ary hifanaiky; Ka tsarovy tsara Fa ny DINA rehetra rehetra No fetran –tanjontsika Na alavitra, na akaiky ! Manomboka eto izany Dia roso ny farimbona Sy izay fanaon’ny olona : Hihoitra sy hitady ! Hiaina sy hitolona ! Ary ataovy an –tsaina Fa fen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/tiako-1
Tiako
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TIAKO Laingalainga kosa zandry Fa rehefa tena tian’ise Iny zanak’olona iny, Dia tsy fahotàna mihitsy Ny mamikitra azy an –tsandry ! Na mitsimpona ny diany !!! Resaka ka mba atao Fa ahoana moa no hamoizako Ny fo natorian’ny foko ? Sangy mba tsy tana fotsiny; Fa io tsy resa – kilalao Ka hoe : “ravàna dia hata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/maraina-tao-anteza
Maraina tao anteza
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MARAINA TAO ANTEZA Naraina ihany ny andro Nofikirina tsy hazava; Maraina nibaliaka ! Maraina hafahafa, Hotsakotsaka toa nandro : Maraina malo –tava Teo an –tsikin’ny masoandro ! Naraina ihany lahy Ilay ali –notsitsiana, Dia ilay alinalin –tafa Sy alinalin –kehy Zinaran’ny koràna ! Nangina ilay tanàna Nita...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/tiako-ianao-na-dia
Tiako ianao na dia...
Tsiky dia ampy
Tiako ianao na izy No tonga tao alohako Nambabo ny fonao Tiako ianao na azy Ny sento sendra reko Rehefa mifandao Tiako ianao na aminy No iantefan'ireo Teny mamy rehefa miaraka Tiako ianao na dia... Tsy ho ahy mandrakizay Fa tsy maintsy mbola hisaraka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nofy-lavitra
Nofy lavitra
raozigasy
Lavitra ianao Nefa tsy irery Satria ny masoko eo Mangalatra mijery Mangalatra manaraka Manaraka ny nofiko Sady atositosiko Hihanakaiky hatrany Dia ianao no hitako Ka ny bitabitako Sy fangitakitako Pelika tsy tana Tsy mba nihanahana Fa avy dia nandray Ilay rantsan-tanana Tiana hotantanana Dia nitsiky ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nankaiza-1
Nankaiza
raozigasy
Ilay tsikitsiky sy hamiranana Ilay hafaliana tsy hainao tanana Ilay donginao mitady sitraka Mitampify sa mifitsaka ? Fa toa taratr’hakiviana Efa maloka hafiriana Fo sy saina mitalaho No endrika nasehonao Inty aho raha misy olana Tsy sanatria misolantsolana Fa tena vonona hizara Izay mavesatra tsy tsara Aza ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/isandratana
Isandratana
raozigasy
Isandratam-bony maitso ny voahary lohataona Isandratan-doko manga ny lanitra fa dify saona Isandratan-kalokalo ny vorona eny an’habakabaka Isandratan-tonokalo ny foko tia anao miavaka Isandratana fitia ilay fitia nahita anao Misandratà ry fitia, f’izaho efa tia anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/erika
Erika
raozigasy
Nampitobaka ny ony, ny erikerika matetika Nanaitaitra koa ny fony, ny fandalovanao nampiherika Faniriany mantsy hono, ny fandalovanao ho erika Hampitobaka ny fony, ka ny fitiavany ho tretrika
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriambololona-hajarivony/ratsy-maso
Ratsy maso
ANDRIAMBOLOLONA HAJARIVONY
Izato fijerinao miorirana mampatahotra mpandalo nefa tsy mampiova ... ny endrikao lalaiko miendri-boninkazo Hajar'andri
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/fitia-mangidy
Fitia mangidy
Ny Kanto
Niezaka nandefitra aho, Mba ho tianao Nanantena hoe hiova Ilay toetranao Taona maro aty aoriana Nandao ahy ianao Tsy nahasakana an’izany Ilay fitia nianjonanao Fa tsy takatry ny saiko Ny adalànao Ny hasarotam-piaro No nanaronanao Ireo fitaka efa tsara paika Izay nambabo koa ny saiko Dia azonao ny fandrese...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/dia-mino-ve-ianao
Dia mino ve ianao
raozigasy
Dia mino ve ianao fa rehefa voaveriko irony sarinao dia hoe noleferiko irony fahoriana ka tsy noraharahiako irony fijaliana nampiziogainao tiako ? Dia mino ve ianao fa vokatry ny foko ny hamela anao handao ka tsy nitalahoako sy tsy dia nahoako ny haneho toloko k’izay hoe mba ory tsy fantatro akory ? Dis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/mandroso-ho-aiza
Mandroso ho aiza ?
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MANDROSO HO AIZA Tsy mbola mety ho tonga any amin’ny zavatra noeritreretiko ny vokatry ny fikarohana ataon’ny zanak’olombelona hatreto. Mandao zavatra iray sy miantsampy amin-javatra hafa izy, vao manomboka ho afa-po fa manitsaka ny fandrosoana ; ary hita taratra etsy sy eroa izany, indrindra fa any amin’ireo « Firene...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/tsiky-dia-ampy
Tsiky dia ampy
Tsiky dia ampy
Iny tsikitsikinao iny, ilay fijerinao tsy foiko Ireny no nitamberina sy nohamamiko indray hamerina ireo ratra efa nokoboniko mangina hamoha ireo hirifiry nohezahiko hadinoina hampitony ahy hiandrandra ..........ny fiverenanao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/rimam-pitia
Rimam-pitia
raozigasy
Fitia Malia Tia Doria Rimariman-teny Re ombieny ombieny Rehefa falifaly Sy asalisalin’ Ny afon’ny fitia Mifankatia ery Redy Bedy Very Irery Rima hafahafa Manova indray ny tafa Fa aloka sy saona No indray ahaonan’ Ny senton’ny fitia Resy fa dia tia Faly Jaly Ady Vady Rimarimam-piainana Rima koa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vonona
Vonona
raozigasy
Na ny alahelo mitambesatra Na disadisa tsy voavaly Na ny olana hampivalan-ketraka Azonao ambara ahy Na sentosento na tomany Na ratram-po na adin-tsaina Izay mitranga rehetra any Amiko azonao zaraina Fa vonona hihaino anao ny saiko Vonona hihaino anao ny foko Ny hangina tsy ho haiko Raha ianao no mitoloko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/tafa-kely
Tafa kely
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TAFA KELY ( ho an’i DODA ao AMBARIFAFY, Antanetibe Anativolo) Vao miserana ny alina, Dia efa hain’ise mikatsaka Ny mety ho tara –pahazavàna Ao anatin’aizim –pito Tsy mbola tratran –dia akory ! Dia iny ise manandran –tsiky Sady sahy mirobaroba : Bandikely hafahafa !!! Mahatsikaiky mihitsy ho’aho Raha ise ity...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/veloma-1
Veloma
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
VELOMA Izaho izao handeha dia hametra –beloma : Hametra –beloma aminareo SAKAIZA Mpitsidika anay ! Hametra –beloma aminareo SAKAIZA Mpamangy hatrizay ! Hametra –beloma aminareo notiavina Nandrasan –ko tia Fa mena masoandro efa akaiky hidify Ity lalana ity ! Veloma daholo ny omaly rehetra nitafatafàna Veloma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tokana
Tokana
raozigasy
Tokana aho fa tsy irery Rehefa mihira ny hiranao Tokana aho fa tsy irery Rehefa raiki-nofy anao Tokana aho fa tsy irery Rehefa miantso ahy ianao Tokana aho sy tena irery Rehefa ianao no tsy ao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vaoarilala-andriantsifanetra-rakotoarijaona/mitady-namana
Mitady namana
Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona
tsy mitsikera ny safidinao aho raha manoratra ity tononkalo ity, fa velom-panontaniana: fitiavana sa lamaody? Mitady namana Ny fahoriana hono ry lahy mahazaka maniraka Ka manararaotra tokoa ireo izay be mpamitaka Mba hialana amin’ity atao hoe tsy fisiana Hamidy ny tanindrazana dia mitsaoka mangina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/zay
'zay
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
‘ZAY Ianao raha miteny, mahaiza mandrefy, Na dia hoe : “efa ady aza no atrehintsika”; Fa raha paipaika sy hoe rafidrafitra natefitefy No bala hitifirana, Tsy maintsy milamina , tsisy mipika Vao misy mangirana ! Ianao raha miteny , mahaiza mba tony; Fa io hoe: “andaniny sy ankilany” io ,raha miohatra anao Dia b...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/lakalaka
Lakalaka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
LAKALAKA Miahotra izy izao Fa lasanao ny fony ; Tsy adinonao angamba Ny rintony fahiny; Fa ny hisian’izao No efa tsy ninoany Sy tsy mba nantenainy. Kanjo babo ihany ! Ka vaka izao ny sainy ! Dia tankina izy izao Fa miantso anao ho “MALALA”, Tsy tao an –tsainy mihitsy Ny antsonao taloha Nisavitsavika azy. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/voafafa
Voafafa
Ny Kanto
Dia nataonao hoe sombiny Ilay sesehena tamiko Anefa na ny kintana eny ambony Nampahalalako ilay fitiavako Tsy misy tsy mahalala izany F’Ilay fitiavana omeko Miandry ny ho tianao. ‘Lay tena heriko ao anaty N’Indro tonga fahalemeko Tamin’ny tontolonao Dia nitalaho ny hiditra aho Ho ao … amponao ao Mandondona ...