url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/angamba-tsy-hadisoako
Angamba tsy hadisoako!!!
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Angamba tsy fanahy iniako, izao taratasy izao Fa noho ny halavirana sy ny maso te hahita Nefa tsy afaka hijery ny salovan-tavanao Tsy hoe, fahamenarana hiresaka Hifanatrika aminao Fa noho ny sakatsakana Mpahazo ny mpifankatia Dia nataoko ihany izao Nataoko ihany koa Mba hamalifaly, hosaintsainonao Rehefa, ianao mahatsiaro ahy Ka te hamikitra ny tanako Ho vahatra ifaharana Fa ngoly fo amam-panahy Nataoko tsotra izao ity taratasy ity Na dia tsy ho valianao Hosoratako ihany ‘lay hafatra fitia Sao mba mety ho ekenao …mbola eto indray no hamerenako ilay teny Somary nahataitra anao “Malala ! misy hadisoako ve? Raha toa ka tia anao?”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/intsony
Intsony
Oully
Porofo : Miantso izy, fa Tsy ny anarako intsony Mihaino izy, fa Ny resako ihany no hamavoiny Ohatra: Manangana izy, fa Hiafaràny sy iny olon’iny Mandrava izy, fa Ny fifankatiavanay feno tsiny (hono) Manondraka izy, fa Felana hafa no mamony Mioty izy, fa Nofidiany tsara izay ambony Hany hery dia ... Manafatra izy, fa Veloma hono antsoiny Mitia izy, fa Ny fony tsy any intsony. 11ora : 44 mn
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketsa/injay
Injay
Ketsa
Injay fa tonga indray ilay embona miainga avy any alavitra any Moa va izaho no mahatsiaro sa enao no mieritreritra ahy Fotoana fohy monja no any niarahantsika Nefa kosa toa mafonja harovako tsy hangatsiaka Taona maro izay no efa nifankahalalana Mifamantatra taminy soratra sy sary Ankehitriny nihaona ireo vatantsika Ka tanteraka amin’izay ireo faniriana sesilany Soa fa nisy ireny rehetra ireny Nahafahana mamantatra ny tena avy ao anaty Ka vao maika nampitombo ilay fitia Izay efa ela no niorim-paka Nihaona tokoa isika, tsy nisy toa izany Inona anefa no nentiny izay Fahasambarana tsy hita ho tantaraina Sa kosa alahelo tsy hay tohaina Toneko ny foko tsy hanantena Fitiavana izay tsinjoko sahady fa tsy ho ahy Fitiavana izay efa fantako Fa andositra ahy ho any hafa indray
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/harenako
Harenako
raozigasy
Harenako, Tsy volamena sy harena na vatosoa tsy taka-bidy na volafotsy saro-bidy tsy volabe, sy tranobe na valabe tsy taka-basy na lovabe an-taratasy Izay tsy ananako fa ny teniko, ny peniko ny soratsoratry ny tanako ny sombintsombin-tonokaloko no harenako fananako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hataka-1
Hataka
raozigasy
Nandray ny peniko aho androany,tsy haiko izany hoe hitomany, Fa dia taratasy ihany, no mba fizarako izany, Taratasy nefa haninona ? ary penina ho aiza ? Tsy hanambitamby tsinona, na hampionona hitaiza Nefa dia noraisiko ihany, hizarako ity kapoaka Ity alahelo, ity tomany, tsy afaka, na te hitroatra Fenobe ny foko androany, nitobaka ny fihafiako Dia tsy voatanako izany, izay no tena fijaliako Ary teo vao afa-drakotra, ka dia niseho miharihary Ireo tanatiko voarakitra, tsaboy ny foko fa maharary, Mba mangataka aho androany, mba handefaso tambitamby Mba handefaso hanihany, mba handefaso sangisangy Mba mangataka aho androany, omeo na dia tsikitsiky Izany teny mamy izany, tsy maninona izay misy Mba omeo re na dia kely, f'hotsitsiako tsy ho lany Na oroka, na mamikely, fa tsy ampy ahy daholo izany Eny na dia topi-maso, teny mamy iray na roa Na dia tsiky sy pi-maso, dia raisiko an-tanan-droa Hataka ihany anefa izany, toy ny hataka rehetra Hatak'olona tomany, sao mba misy iray mitsetra Mba nangataka aho androany, na dia tsy mba manantena Fa hivaly indray andro any, izay mba hatako, homena Ka dia ny peniko ihany, sy ny taratasy fotsiko No mba mifampizara izany, hanafana ny alim-potsiko,
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/rivo-doza-tahaka-izao
Rivo-doza tahaka izao
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
RIVO-DOZA TAHAKA IZAO Tonkalo fampidirana : TANTARA : Efa mba nilokakoka aho Fa hanoratra tantara Ho an’I BERONONONTSIKA; Dia ataoko izany anio ! Ianareo mirahalahy, Niara –niari –pijaliana Teo an –tany fiadiako : Niasa tamin’ny fo madio ! Izay vita dia tantara Fa na dia ny taranako aza Tsy maintsy hamelako soratra Haneho ny zavatra tsy fantany : “Fa efa nisy ,hono, i FENO Nisy i MIANDRISOA SY LOVA; Izy telolahy ireo Niady ho an’ny Tanindrazany… Efa mba niroso isika Hanavotra an’i BERONONO Tao anaty tevan –dalina, Ka nilatsaka hofidiana Nefa niantrana amam – basy Tamin’izay rafozan – jamba Tsy nahalala ny aman –taona Namoronana fiadiana… Dia “nisy,hono,… Nisy,hono,… Hetahetanay tanora Maty ho an’i BERONONO” Indray fahavaratra tamin’izay, nifanindry indrindra tamin’ny fivoriana ara – potoana voalohany tsy maintsy novonjeko ny fidiran’i ELITA teto Madagasikara. Vao fafifafin –dranon’erika no nametahako sarotro niala tao an – trano, niaraka tamin’ny entan –kely efa fantatra mialoha fa tsy maintsy ho hotsaka tao am – babena noho ny tsy fisian’ny fiarovana azy; ny halaviran –dalana hodiavina anefa mbola an –kezaka ihany , raha zato kilaometatra hifampitolomana amin’ny kapokapoky ny fiara hitrongy revom –potaka, ary efapolo kilaometatra tsy maintsy handehanana an –tongotra, fa tsy mba tongan’ny fiara, na fahavaratra, na maintany. Mpanolotsain’ny Tanàna aho teo, ary i Dada no Lefitry ny Filoha Mpanatanteraka - Ka hiverina ihany izany ise raha sanatria tsy mahita fiara ? Hoy ireo efa fantatro fa te-hanajanona ahy, noho ny faharatsian’ny toetr’andro. - Rehefa miala eto aho dia tsy mipody intsony raha tsy efa vita izay anton –javatra niantsoana ahy hivory. - Ka handeha an –tongotra amin’iny lalan –davitra be iny ve hovitan’ise ? - Rehefa tiako ny Tanindrazako dia tokony ho foiko ho azy koa na ny tenako, na ny heriko. Ka inona moa no antony tsy ahasahiako raha mby amin’ny vaninandrom –pitolomako izao ? Efa nanolo –tena ho an’ny vahoaka anie aho e ! - Izao indray àry e ! Raha mba voahidin’ny lalana tapaka any moa ise dia mba ahoana? Sady tsy an –tany no tsy am –parafara : tsy i Dada hamonjy any, tsy i Neny hanavotra. Mety ho tavela any anebaneban –tany any mantsy ny fiara raha tena mijojo ny orana, dia tsy maintsy mandry an –tsaha fa sao mitera –doza. - Kely aina loatra isika ankehitriny raha miohatra amin’ireo tia tanindrazana taloha : fa inona no naha –mena lamba ny MENALAMBA e ? –Tsy ny fandriana an –tsaha ? Ary inona no nanoloran –dry TRIMOFOLOALINA ny tenany hatao sorona tao ANATIROVA ? – Tsy ny fitiavany ny Tanindrazany ? Nefa isika ankehitriny : matahotra, reraka, be fanahiana; Tena tsy sahy maty mihitsy e! Tsy maintsy ho resy ambony ampanga ihany isika raha haverina hatramin’ny voalohany ny tolom –panafahana rehetra nisy teto Madagasikara : ny fito ambiefapolo sy sivinjato sy arivo, ny roa ambinifitopolo, ny iraika ambinisivifolo. Efa mba nahakasika ny zoron –dambantsika anie ny tolona ho amin’ny fitakiana ny FAHAMARINANA tamin’ny roa sy roarivo e ! Nefa mbola firifiry akory no nihatakataka sy nialangalana ? Dia toy izao fanaontsika izao ihany : mitady tany malemy hanorenam –pangady ! - Ka inona àry no tokony hatao fa atoadro ny andro e ? - Ny volako hampiana raha misy hanampiana azy, dia aleo aho handeha, fa sao dia hilaozan –dry zalahy eo. - Ity àry handehanan’ise any Analamahitsy e ! Dia ireto hanampio ny sakafo sy izay mety hilàna vola any an –dalana any. Ka tsy ho tratrako eto intsony izany ise rehefa mirava avy miasa hariva aho ? - Tsy ho tratran’ise intsony aho fa ity ny fanalahidy , dia ao ny trano. Namotaka izay tsy izy ny lalana rehetra nodiavina: na arabe, na elakelan –trano. - Ao ! Ambatomainty, Amboditsiry, Analamahitsy e ! Izay maimaika ao ! Hoy ilay tovolahy arafarafan’ny fiara mitondra azy avy any ambony any. Nosakanako ny Mpamily ary nijanona somary dila iray metatra kely nisongona ahy; vao tafakatra aho dia nisosa mora ihany ny kodiarana ary mamerimberina ny antsony im –polokely eo ilay tovolahy avo feo. - Ambatomainty, Amboditsiry, Analamahitsy e ! Tonga dia lasa ! Ao ! Analamahitsy, izay maimaika ao e ! Nanopy maso akaiky sy alavitra ilay tovolahy, fa tsy nisy avy nanatona intsony, nojerin’Ingahy Mpamily tamin’ilay fitaratra kely ankaviany miraikitra amin’ny vatan’ny fiara ny tany aoriany, dia nitehina tsimoramora ny ivon’arabe ny loha-fiarany , ary lasa tanteraka izahay. - Ka isika ity anie , hono, toa ohatry ny mbola tsy ho lasa androany r’Ingahy Mpanolotsaina e ! - Fa ahoana ? - Ka mbola tsisy fiara ko ! - Dia lasa aiza ry Dada ? - Mbola nandeha niresaka fiara any izy. Asa izy izay na nahita na ahoana !? - Ka izao ve moa ho lasa intsony fa dia efa rahampitso izany ! - Sady ny orana ity tsy misy fiatoany ! - Mandreraka mihitsy !!! - Ka hiara –hatory aminay eto Analamahitsy izany ianao androany sa…? - Ny entako no hajaniko eto aminareo dia mba hampidiro any anaty fiara, fa eny TALATA VOLONONDRY aho no miandry anareo rahampitso maraina be. - Ka sao dia tara any ianao fa zava –dehibe anie ity hovonjentsika ity e ! - Izaho no ho tonga alohanareo eny , fa aza matahotra e ! - Dia aiza ianao izany no handry androany ? - Hamonjy kely any ANTANAMBAO Antsinanan’i TALATA aho fa misy namako hotsidihako any. - Ry LALAINA ? - Izy mihitsy ! Any ry zareo no mipetraka. Navelako teo ny entana, ary tsy nitondra afa-tsy izay ankanjo teny an –koditro aho, ny sarotro moa efa tsy nialàko rahateo fa aron’orana mpahatonga any amin’ny farany. Nisakana fiara teo amin’ny sampanan’ i MASOMANGA aho ny ampitso maraina, ary namonjy teny TALATA. Niandry ny fahatongavan’izy rehetra fotsiny dia nandray ny fiara nianavaratra. Vao nanomboka teo AVARATSENA, dia efa nalama izay tsy izy ny lalana : fotaka tsy fotaka ! lavaka tsy lavaka ! Ny orana amin’izany, vao mainka mijojo sy niha –nivatravatra. Tsy nisoka –bava mihitsy aho teo am –piaingàna fa nihaino sy nitsantsika tsara izay karazan –dresaka nanalàn’ny rehetra lalana. - Ka nanao ahoana ity raharahanareo tao BERONONO tao ? Hoy ilay Ramatoa be, niantso an’Ingahirainy ! - Resaka hadalàna anie ireny e ! Tsipaky ny miala aina ranona a! - Tsy ilay taloha ihany ve ity nitory sa olona hafa e ? - Olona hafa no tompon’ny fitoriana, fa iza moa no ao ambadika e? - Tena mba tsy menatra olona ihany izy kah ! Inona no mbola isisihako amin’io ? Matoa ianao tsy lanim –bahoaka intsony dia efa ratsy izany ny vitanao teo ! nefa mbola mitetika ny ho kala be ihany ! - Sady ny toerana ihany koa ifandimbiasana e ! - Izy kosa angaha nihevitra ny hionona mandrakizay ao ko !? - Ny hadalàny !- Jereo izao Ilaikely ity ! Hoy Ingahirainay, sady nanondro ahy; Izy izao mba isan’ireo mpifaninana nilatsaka hofidiana ho Ben’ny Tanàna, niaraka tamin’ireo, saingy rehefa tsy lany izy dia nipetraka fa tsy nanagam –bovona ohatr’izao. - Izay koa no fahendrena e ! Hoy ilay Ramatoabe, sady nikapokapoka ny soroko izy. Dia notohizany ihany ny resaka. - Ka nanao ahoana ny fandehahan’ity tribonaly ? - Zavatra nilamina ho azy ! Ilay izy tsy hoe : vato nalaina nanamboaran –trano ho an’ny Ben’ny Tanàna, na nananganam –pasana, fa nosamborina hanaovan’ny Fokontany Sekoly ho azy, sady mbola haverina fa tsy hoe any dia tsy hita. - Dia izany avy no hita nitoriana olona ? - Ianao angaha ahoana ?- Efa nataony izay lalana rehetra naminganana azy fa tsy voany, dia izay sisa no noheveriny fa hamandrihana azy, kanjo, niala maina koa ! - Dia menatr’olona haika izy izao ! namono biby tsy nahafaty mantsy ! - Izany no alehany rehefa tery saina e ! Mba olona efa nasandratry ny vahoaka ny tena, dia tokony hanaja izay voninahitra izay, fa tsy handrovi –tsihy ohatr’izao. - Dia ahoana hoy ity Mpitory, nivoaka avy tany amin’ny Tribonaly ? - Tsy nahajery olona ranona a! izany no tena hoe : “tsy nahajery olona !”. Izay zavatra nanontaniana azy tany anie ka tsy nisy fantany e !Nanontaniana ny isan’ny vato : tsy fantany ! Ny kaomitin’ny rano : iray amin’ireo vavolombelona folo mahery ireo no mba fantany. - Iza io ? - I Dadan’Ilaikely ity !- Ny vato efa voaverina, efa nahazoanay fanamarinana avy amin’ny Fokonolona, tsy fantany koa izany; nanontaniana izy raha nahazo taratasy fanomezan –dalana amin’ny maha – “solon –tenam-pokonolona” azy. - Dia nisy ? - Inona fa tsy ny tanany folo no nentiny tany amin’ny Fitsaràna. Tsisy Fokonolona naniraka azy izany akory anie e! Sady tamin’ny fotoana namakiana ny va ton’ny rano dia ireny mihitsy no isan’ny tsy nandray andraikitra tao. Angaha izy manana anjara amin’izany vato izany, na dia iray hitorahana akoho aza !? - Fa dia inona fotsiny ? - Angady mondro nasesiky ny zarany e! Tsy maintsy mitomboka fa an –tanan’olona. - Loza ko ! Hoy ilay Ramatoabe, sady nanamboatra ny ondany , namonjy nandry ilika indray izy, Ingahirainy nihaino ny akoralavan’ny vatan –dehilahy niady lalana fa nihitsoka ny fiara nitondra anay. - Avoahay leiretsy ilay apombo amin’ny gony ao a ! Dia hadio tsara aloha hiala ny fotaka vao rarahana tany maina. Tsitsitsitsio ihany ny ampombo fa sao tsy ampy mpahatonga any AMBATOMANOINA. - Ary ilay angady lava lela vao novidiana moa aiza e ? Hoy ilay Mpanampy ny Mpamily, efa mihoso –potaka hatrany an –tampon –doha ka hatrany am-paladia; Ny akanjony amin’izany efa azo aholana fa ny erika tsy mbola hary nisy fisavàny , hatramin’ny nialàna tany Antananarivo. - Ka ialahy isany ihany anie no nanao azy e! Ario tsara leity fa hiady fotaka amin’ny tanana aty anie ialahy isany e! Nitrena ny fiara ka nitrena, nikisaka ka nibolisatra, fa adim –pamatranandro roa angamba vao nahafaka elanelana kely tra –toraka. Ny lalana miha –ratsy hatrany, ny orana manampy trotraka; latsaka tanteraka tao anatin’ny harefonana izahay, nefa mbola tany anebaneban –tany alavitra tany. Tsy maintsy mbola handingana ora maromaro ihany koa vao ho tody ao SADABE, izay tanàna antenain –kandriana sy mba hahitàn –tsakafo atoandro. Eo am –panaronana izany rehetra izany dia mandeha daholo ny hatsanga tsy aman’orana rehetra. - Ampidino ilay Ben’ny Tanàna tanora ao hanao lalana fa misy Ben’ny Tanàna tanora ao e ! Hoy Ilay Mpamily anankiray, Mpamazivazy ahy hatramin’ny fahazazako. - Iza ity Ben’ny Tanàna tanora ao ? Hoy ireo maro lahy, reko mifanadina ao amin’ny vatan’ny fiara ao. - Misy Ben’ny Tanàna tanora ao fa manamaro isa ny Beantitra ao fotsiny ! - Ary ianao ity lazainy hoe : “Ben’ny Tanàna tanora ?” Hoy ilay avy Miaramila nifanila toerana tamiko, fa gony moa no lafika nipetrahanay tao anatin’ilay fiara fitondràna entana, no sady nisintona ny vavan –gony hisondrotra ho any amin’ny hatony izy. - Izaho mihitsy no antsoantsoany eo ! Ny tena marina dia tsy hoe miraviravy tanana aho, na tsy te –handray ravin –dena, fa ny asa ampiasana hery be loatra no efa tsy vitako hatramin’izay, ka naneren’i Dada sy Mama ahy, hilofo mafy tamin’ny fianarana. Adikan’ny olona ho fialangalanana izany indraindray , ka efa saika niteraka fifampiandaniana matetika teo amin’ny fiainako. Amin’ny zavatra vitako sy tratry ny heriko, dia tsy mba fombako ny miamboho adidy, fa amin’ny lafiny sasantsasany toy itony kosa dia tsy mba matin –kenamaso aho, fa dia misonenika am –pitoerana fotsiny. Voatery nidina ihany anefa nony farany, fa nihilana be loatra nankany aminay ny fandrin’ny fiara, nefa sendra ny toerana am –panariana indrindra. Rivo –doza tahaka izao indrindra koa, tadidiko tsara fa vao telo ambinifolo taona monja aho tamin’izay ! Samy manana ny fijeriny ny olona, fa izay no rivo –doza noheveriko fa nahery indrindra teto Madagasikara, hatramin’ny taona valopolo sy sivinjato sy arivo, ka hatramin’ny taona efatra sy roarivo : i GERALDA ! Tsy nahazo kitay hataina intsony izahay tamin’izany , fa baoritra no nampirehetina; Ary tao anivon’ny rivo –doza mihitsy no lany ny vatsinay. Mpianatra nandrato fahaizana tao Ambatomanoina aho tamin’izay, ary efatra mianadahy izahay no iray tampo. Nandrasana izay hitsahatra fa tsy nitsahatra, nandrasana izay hisava, fa mainka koa nangila –potsy ny habakabaka. Saika tapaka daholo ny ankamaroan’ny lalana teto Madagasikara, ary ny Madagasikara fantatro tamin’izany, dia tsy nisy afa-tsy AMBATOMANOINA, AMBOHIBARY, BERONONO. Nihantona ny fifamoivoizana noho izany, ka tsy nisy azo nifandraisana fa samy nihidy tamin’izay nisy azy tany. I BERONONO no anaran’ny tanànanay , sy mbola onenan’ny Ray aman –dReniko hatramin’izao. Tapa –kevitra izahay fa hody haka vatsy, na ho orana, na ho rivotra no hanjo any an –dalana any, fa efa sendra izay tsinay tsy mba vatsy sy ny kibo tsy mba lamosina. Roalahy izahay fa nanaiky niaraka tamiko ny zanak’i Dadatoa tao atsimonay. I Mavolava no renirano voalohany hitsakàna raha vao ho any; jerena izy amin’izany ka efa manopy mena sy mivalombalona ohatra ireny hitelina ireny ihany. Teo izahay, niaka –nidina erak’iny moron –drano iny. Alentika any anaty rano ny ilan –tongotra, dia sintonina indray fa tsy tanty ny heriny. Namonjy teny ambany amin’ny fitsakàna indray fa sao mba hisy olona hita ihany, nefa tsy nahita afa-tsy raotra sy kidaon –drano isan –karazany izahay. Tapahina ny bararata izay hevrina fa mafonjafonja sy lava indrindra, dia iny no entina mitsapa rano : alentika iny dia manaraka azy moramora arakaraky ny halalin’ny rano. Efa ho adiny efatra nivezivezena teo izahay mirahalahy ka namonjy nitombina teo ambony fasika noho ny havizanana be loatra. Nisy haram –bato hitako tany ambony tany, ka nantsoiko ilay rahalahiko mba hiara –mikaon –doha amin’izay mety hahafahana, ary tena lasa tokoa izahay; kanjo, tonga teny amin’ny antsasa –drano dia tsisy tohiny intsony ilay haram –bato , fa fasi –polaka no nandimby tao, ary onja mahery no nivalombalona teo amboniny. Voatondro iray no tsy nanosika anay mirahalahy ho lavo tamin’ny fahafatesana, fa raha latsaka tao izahay dia tsy tafapongatra intsony , raha tsy natsingevan’ny rano tamin’ny vatana efa tsy misy aina intsony. Niverina teny imorona indray izahay avy eo, rehefa nontanin’ny fahatairana saika ho sorona. Nosintoniko hilentika tsara tamin’ny lohako ny gony jiafira nataoko sarotro, ary nanapahako besofina teo akaiky teo ny kilaoty kely ‘ndeha hoentiko hitsàka ka nofatorako mafy tamin’ny valahako. Lokin’ny hehy I Zandrikely, fa fombanay rehefa hihanika rotra mantsy iny fihetsika nataoko iny : Atao somary lavalava ny akanjo anaovana, dia fatorana amin’ny tady ny valahana, ary rehefa avy tangosana amin’ny tahony ny rotra dia araraka avy eo amin’ny vavan’akanjo, ary tsy very intsony fa mitangorina sy mivangogo eo amin’ny kibo eo fotsiny. Moa va tsy iny bevohoka iny mihitsy ianao ?! - Eleo asiako vavarany ity tady ity dia mba mora tsoahina rehefa eny am –pita ! Hoy aho nakahery an’i Zandry, fa efa hitako nanomboka ho kivy I Ledala. - F’angaha ianao mbola manantena ho afaka amin’io rano io ihany ? - Any BERONONO isika anio no mandry fa aza matahotra I Zandry e ! - Ka hamono tena izany ? nefa vao teo no saika maty ! - Mivavaha mafy fotsiny e ! I Betsiboka aza anie “tondraka sasakalina fa ritra maneno akoho e !” Fankaherezana fe- fankaherezana fotsiny no nitenenako izany, fa ny rano nanoloana toa hitako miha –misondrotra, miha –misondrotra ihany; Efa saika nanafotra ny morona mihitsy aza. - Misaotra an’Andriamanitra Lehibe ! Hoy i Zandry nihiaka tampoka. - Fa misy inona ? Hoy aho nifantoka tampoka teny aminy. - Tsy hitanao ? - Fa inona e ? - Tena tsy hitanao mihitsy ve ? - Tsy mahatazana n’inona n’inona aho marina e ! - Hitanao irony avy irony ? Misy olona anankiroa miloloha entana amin’ny gony ireny, handeha hitsàka eto. - Eny tokoa ! Hoy aho tsy nahatàna ny hafaliako fa nitsinjatsinjaka tsy nisy ohatr’izany. - Avotra ihany ! Avotra ihany ! Avotra ihany ! Hoy ny tsinjerinay mirahalahy mandra –pahitàn’ ireo olona anay avy ery am –pita. Iny tokoa fa nametraka ny entana teny an-dohany avy izy mianaka, dia namatototra ny patalohany teny an –tendany avy. Sikim –ponitra kely sisa no hany nentiny nitsàka. Nampakatra ny entany ho eny an –dohany avy indray dia nandroso nitsapatsapa tao anaty rano: Ilay lehilahy lehibe no avy any ambony fa izany no fomban’ny fitsakàna amin’ny fahatondrahan –drano tahaka izao, ary ny kely kosa tantanany sady manarak’onja avy eo ambany. Jereko ny fandehany amin’izany ka miakatra, miakatra ihany, fa tsy mba midina mihitsy: izany mantsy no atao hoe : “manohi –drano”. Tsapako ho tena mamikitra mafy an –drainy ilay zaza fa entin –tahotra ihany koa angamba, nefa odian’ilay lehilahy lehibe tsy taitra fa mihorika, mihorika ihany. Farany dia tafita tery ambonimbony kelin’ny toerana niandrasanay azy izy mianaka. - Ary manakaiza ianareo roalahy izany ? - ‘Ndeha hody any BERONONO izahay, fa tsy afa –drano ! - Dia ahoana ? - Saika hiangavy anao hampita anay raha mety, fa efa hatramin’ny maraina izahay izao no teto nefa tsy sahy nita. - Ary mba mahatokitoky koa anie ny Ray aman –dReninareo izany mamela anareo hitsakatsaka anaty rivo –doza tahaka izao e! - Tsy izany fa mpianatra lany vatsy mantsy izahay , dia tsy maintsy mody fa ny any efa tsy tafakatra. Tafita soa aman –tsara izahay, ary nisaotsaotra ilay rangahy ! - Rehefa mandalo dia mba miviliana fa io vao miditra ny tanàna io mihitsy ny tranonay - Hay ve ianareo zanak’ilay olona ao e ? Ilay rangahy ohatry ny fohifohy iny ? - Dadanay iny ! Hoy aho nitsatsaingoka. - Ka vao avy nadoko ny tranonareo tany aho anie tamin’ny herinandro e ! - Hay ! Misaotra betsaka. Nifanao veloma izahay dia nanohy ny diany. Izahay mirahalahy, faly fa afa – doza, kanefa mbola misy renirano iray koa tsy maintsy hosedraina. Faly sahirana ihany teny am –pandehanana satria eto vao tena ho voahidy raha sanatrian’izany ka hisy izay tsy fahafahana, fa tena ho “ tra –drano Anosy” amin’izay, satria anelanelan’ny renirano roa izahay roalahy teo. Ny tohin’i Mavolava no renirano faharoa sady farany sisa hitsakàna mialohan’ny hihazoana ny arabe mody mankany an –tanàna. Rivo –doza tahaka izao koa no efa saika tsy nahafan –dry zoky teo fahiny raha tsy maromaro lahy izy, ary sendra izay madidi-doha nitarika vao sahy nanao “mita be tsy lanin’ny mamba” teo. Moramora taminay indray anefa ny nitsàka teo, noho io rano io be velarana sy tsy dia nahery loatra. Izahay mirahalahy ihany dia nahafaka azy. Ranon’erika tsy an – kijanona no nanalanay izany rehetra izany. Somary nitsahatra kely ny orana raha tafakatra teo an –tampon’Ambatonosy izahay, nanantena fa hahazo arabe amin’izay mpahatonga any BERONONO; kanjo , loza fa saron’ny rano avokoa ny lalana rehetra tamin’iny ambody tendrombohitra iny : tapaka tanteraka ny lalana ary tsy nisy azo naleha intsony. Safomorona mantsy i Mananara ary nihoatra baiboho araka ny fiteny amin’ny fatondrahan –drano tahaka izao. - Dia inona no hataontsika : hiverina hody any Ambatomanoina sa hijanona hatory eto Ambatonosy ? Hoy i Zandry hitako ho kivy dia kivy. - Tsy maintsy miroso hody any BERONONO isika na handady aza. - Ka aiza ny ho lalana ? - Hihanika tendrombohitra isika, hitety havoana mpahatonga any TSENAMATY, fa any tsy misy rano intsony sady efa alavitra an’ i Mananara. - Ka raha sendra tevan –dalina tsy afaka any dia ahoana ? - Dia hatao izay hahafahana ko ! Isika anie handeha haka vatsy e ! Teo no vanim –potoana voalohany tamin’ny fiainako, nahatsapako ho nitelemako ny ny nangidy indrindra sy nahatsapako ny tolona nataoko samirery. Nahagaga ahy ny nahitako izay hevitra hihanika tendrombohitra sy hitety havaona nefa tsy mbola hary natrehako ny tahako izao. Henjana dia henjana ny lalao, fa tena nandady araka ny voalazako tokoa : tevana ny havia sy ny havanana, lalankely tokana no manasaraka azy, ary izay no tsy maintsy nadehanana nefa sady ety no nalama ohatry ny savony. Jerijerena izay misy vato, dia ampamikirina amin’iny ny rantsan –tongotra , ary ny tanana mamikitra amin’izay bozaka tsy dia lavitra eo. Ny fihetsika amin’izany tandremana tsara , fa raha vao diso maherihery sisina kely fotsiny , dia na very miankavia, na mihintsana miankavanana ka samy atelin’ny tevana . Nanomboka nikija indray ny orana, saingy tsy ranon’erika ohatra ilay teo intsony fa tena oram – batravatra nahafotsy maso mihitsy; Ny famikiram –bozaka sy vato amin’izany ohatr’ireny dinta ireny. Efa mba nisy ampaham –potoana nianarako ady ihany teo amin’ny fiainako, fa tsy nanam –po ho sendra zavatra tahaka izao mihitsy aho. Ny lesona nampianarina ahy dia ny hoe: Raha avy atsy ny fahavalo, dia avy eto ianao, ary raha ohatr’izao ny fihetsiky ny fahavalo dia ohatra izao kosa no mba hitsenanao azy „. Efa natoro ahy hatramin’ireo teboteboka mahafaty aza, saingy ny hiady amin’Olombelona no nanofanana ahy fa tsy ny hiady amin’ny natiora. Reraka izahay indraindray dia mitombina maka aina, ary mitsangan –tsy fidiny dia manohy ny dia indray avy eo. Ohatra izany hatrany ny adinay sy i Zandry mandra –pigadona teo ambany lavarangana ka nahataitra an’i Mama nahatazana anay. - Fa misy maty sa misy marary ? - Tsisy maninona ka ! Fa ahoana ? - Dia tena efa mamono tena mihitsy mantsy ianareo fa tsy maty a ! Ny Olon –dehibe aza mihenahena fotsiny aty fa hoe tsisy lalana - Manao ahoana aloha i Mama fa aza tonga dia masiaka e ? - Salama tsara ! Manao ahoana ianareo ? - Salama be daholo ! Dia manao ahoana koa i Dada ? - Salama tsara izy ! Jereo fa ao an –trano lehibe ao izy angamba – Fa inona ity hodianareo anaty rivo –doza e ? - Mitady loza e ! Hoy i Zandry nampihomehy anay telo mianaka. Dia tena samy nihomehy tokoa. - Tsy izany fa lany vatsy izahay dia tsy maintsy nody fa efa tsy hita intsony izay ho raisina. - Nefa tsy mahazo miverina any intsony ianareo raha tsy efa tsaratsara ny andro ! mampieritreritra anay aty fotsiny ! - Ka ahoana ilay ankizy any ? - Tsisy fianakaviana hahavita hijery azy fotsiny eo e! - Dia inona no vaovao ankoatr’izay ry Mama ? - Fa angaha mbola tsy fantatrareo ? - Inona ? - Maty anie i Maman –dry IANTSO e ! - Inona ? Maman –dry IANTSO ? - Maty omaly hariva izy ! Ny mpaka an –dry IANTSO any Ambatomanoina aza izay tsy efa hiverina ?! Teo aho vao ankona tanteraka ! Toy ny vato be amam –polopolo kilao nazera ny foko ny fandrenesana an’IANTSO idonam –pahoriana tahaka izao; IANTSO : zaza niara –nilalao tamiko, mitovitovy taona sy mitovitovy fihetsika izahay, ary tsy mbola nifankafoy na tamin’ny soa, na tamin’ny ratsy. Nisy ditraditra kely madinidinika aza nifankahazaranay, ary efa nahatratrarana anay matetika, nefa vao mainka niha –nivoatra hatrany ny fanafenanay ireny. Hahita an’IANTSO aho izany izao : hahita azy hitomany sy ho ankonankon’ny alahelo; Fantatro fa mangidy aminy ny fandaozan’ny reny malalany azy , nefa tsy afa –manoatra noho izany izahay. Tsy lefy ato an –tsaiko mandrakizao ny fomba nidiran’IANTSO ny tanàna tamin’iny takariva iny : niondrika izy sady nilanjalanja tanana, fa tsy nahajery ireo vahoaka be nanotrona ny fahalasanan –dreniny. Tsy hitan’IANTSO akory aza fa nagata-maso saika mba hampionona azy aho, nefa tsy nitodika na tamin’iza, na tamin’iza izy mandra –pigadony ny varavarana nandrian’ny maty. Ny feon’IANTSO no niavaka indrindra tamin’ireo gogogogon’ankizy maro nihohoka teo anatrehan’ilay vata – mangatsiakan’ity reniny, tsy nisafidy ny handao azy, fa lasan’ny fanendrena. Izany no nahatonga ny saiko ho lasa alavitra teo am –pijoroana teo, mandra –pahafaky ny fiara hanohy indray ny dianay mandra –pahazo ny tanàna handriana sy hisakafoanana. Lasa alavitra ny saiko nieritreritra zavatra maro, ka nahatongavako tany amin’ny hoe:“Rivo –doza tahaka izao no nahalasanan’ny Maman –dry IANTSO ! Rivo –doza tahaka izao, no nianjeran’ny trano lehibe iray ka nahafaty ny dadan –dry Ianona, nahatoro ny zanak’Ianona „ . Fa rivo –doza tahaka izao, tadidiko tsara, nahitàko tovovavy iray tsy nanan –kialofana fa nivihivihin’ny hatsiaka teo ambany lavarangan’ny karana : onena azy aho tamin’izay, ka nanatona moramora nila dinika taminy - Diso mangatsiaka loatra ianao ka sao dia harary amin’izao ? - Maniry hafanana tokoa aho, tompoko, saingy tsy afa –manoatra ! - Isan’ireto tra –boina ireto izany ianao ? - Tra –boina efa hatramin’ny ela aho : mbola kely, hono, aho no nilaozan’ny Raiko ka nipetraka irery tamin’ny Reniko; vao folo taona aho anefa dia nanambady indray i Neny, ary tsy zakan’ny vadiny aho ka noroahany handeha. I Neny koa moa tsy afaka niaro ahy, fa jamban’ny fitiavan’ilay vady vao. Niasa tamin’olona no nataoko taorian’izay, ary rivo –doza tahaka izao indrindra no nahatongavan’ny fianakaviana naka ahy sady nilaza fa “maty i Neny !”, maty niaraka tamin’ilay vadiny vaovao : maty niajeran’ny trano izy roa. Tsy navelan’izy ireo niverina tamin’ny asako intsony anefa aho taorian’ny fandevenana, fa notazoniny hanampy azy, hono. Tsy dia nampiasaina firy aho tamin’ny voalohany, fa isan’ny notambatambazina mihitsy; Kanjo nony tato aoriana, tsy zakako intsony fa sahy nibaiko ahy hatramin’ny zazakely vao folo taona aza. Ka dia izao hitanao mitsoaka aty izao. - Mampalahelo ahy ny tantaranao ! tena mahonena ! fa,hono, ho aho ! - Ahoana izay ? - Tsy mampaninona anao ve raha homeko hanaovanao ity akanjo mafàna ety amiko ity? - Raha sitrakao ! kanefa sao dia lasa ho ianao indray no mangatsiaka ? - Tsy mampaninona ahy raha androany fotsiny aho no mangatsiaka ! Afaka manao akanjo mafàna indray aho rehefa tonga any an –trano. Notsoahako ny akanjo teny an –koditro dia natafiko azy, natsofony ny tanany, dia nidiany tsara , ary napetany koa ny satrok’ilay akanjo ka nafatony ireo tadikely roa nikirazorazo nanaraka azy. - Efa mba maheno mafàna ve ianao ry… Iza moa ny anaranao aloha , azafady e ? - IALISOA no anarako, fa IALY no tiako hiantsoanao ahy ! - Ry IALY ! - Vao manomboka mahazo hafanana ny tarehiko sy ny lamosiko, fa ny tongotro sisa. - Mbola tiako homena sakafo ihany koa mantsy ianao, satria fantatro fa rivotra fotsiny mameno ny vatanao any, vokatry ny hatsiaka be loatra, ary tsy mampaninona ahy ny mba mividy kapa na kiraro iray raha izay no mba hampafàna anao, ka hahatsapanao hasambarana toy ny olon –drehetra. Ka mazoto ve IALY ? - Mazoto tokoa aho satria tena ao anatin’ny harefonana tanteraka; kanefa manahy aho fa sao dia diso mananararaotra anao be loatra ? - Izaho anie no manome fa tsy ianao no mangataka e ! Andao àry raha mazoto ianao e ! Namonjy trano fisakafoanana aloha izahay : nihinana sy nisotro. Ny zavatra nahalasa saina ahy dia ny fahatsapàko an’IALY, milaza ho noana izy nefa toa tsy nahatelina firy nony mby teo am –pihinanana. Tsy haiko na menatra ahy izy, na ny vavoniny mihitsy no nihidy, fa vetivety dia nijanona izy. - Izay sahady ? Hoy aho nipitrapitra nijery azy. - Tena mbola tsy mahalatsan –kanina mihitsy aho ! - Ary sao dia mba misy zavatra tianao sotroina ry IALY ? - Inona moa no mba fisotroko ? - Asa… ohatra hoe : ranom –boasary, ranon –garàna, Fanta, Coca…, misy daholo ireo ! - Ranon’ampango angamba no tiako hosotroina, raha misy ato. - Be dia be raha izany !Andraso vetivety fa angatahako ianao ! – Mba omeo ranon’ampango anie azafady e! Hoy aho niantso ilay tovovavy nanolotra sakafo anay. Vetivety foana dia iny ny zinga sy ny vera nentiny avy any; Nampidinako rano tamin’ny vera IALY, ary natolotro azy. - Io àry dia mahereza misotro fa tena mbola reraka be anie ianao izany e! - Izay ihany anie e! Hoy izy nony avy nampakatra indray mandeha monja. - IALY a ! Tsy marary ve ianao ? - Fa ahona no mahatonga anao miteny izany ? - Ka ity ianao toa sady mailain –komana no malain –kisotro ! - Malaina fotsiny aho angamba ! Mbola hazoto ihany aho amin’ny manaraka ! - Ka andao indray àry hizaha kiraro ho anao e ! Naloako ny vola dia nivoaka moramora izahay sy IALY, izaho mandeha eo aloha dia arahiny moramora avy eo aoriana. Dia nifantina izay kiraro mba tiany sy mahafinaritra ny sainy teo izy. - Ary itsy angaha tsy tianao ry IALY ? Hoy aho nanondro irony lamaody ankehitriny irony. - Tiako io fa lafo be loatra. - Ka tsy resaka hoe: “lafo be” na “mora kely” anie, fa ny hoe “tianao” sa “tsy tianao” e! - Tiako io ka ! Nefa io koa ve dia ho azo tenaina ? Kiraro fitondra mianjaika anie ireny e! - Dia mitadiva iray koa hotenainao e ! Aza mihafahafa izany ho‚aho ! - Ka vola daholo anie izany e! - Fa vola izany angaha misy dikany ry IALY a ! natao holaniana anie ireny e ! Ho an’ny sasany ny vola mety hireharehàna, ho an’ny sasany mety hanaovana tsinotsinona ny hafa; Fa ho antsika ny vola, natao hifanampiana. - Te –hisaotra anao be dia be lavitra noho izay fisaorana rehetra tononina ety ambany masoandro aho. Kanefa mbola mahazo mangataka zavatra iray aminao ve aho ? - Inona izay ry IALY ? - Ny anaranao ! Mba tiako ho fantatra ! mba tiako hotononina; tiako ho vita sikotra ato anatiko ny endrikao sy ny anaranao, fa nanao soa be loatra tamiko ianao. Nentiko nitanila kely nivoaka ny tranombarotra IALY, dia namonjy tao ambadiky ny varavarana izahay vao namaly azy aho. Namahàko bokotra iray ny akanjoko, vao nasehoko azy. - Hitanao io amin’ny foto –tendako io ? Misy sary fo efa voajanahary hatramin’izay io. Io no porofo famantaranao ahy. Ny anarana mantsy tanim –boanjo, ka mety ho betsaka no toa ahy, fa io , tsy misy manana mihitsy io. - Kanefa rehefa mba te –hiantso anao aho dia hataoko hoe : “iza? - “SEDY”, hoe! - Misaotra anao be dia ba aho ry Sedy a ! tsy ho voavaliko ny vitanao tamiko na dia hiezaka hanao izay tratrako aza aho. Ianao no namerina ahy indray hitovy zo amin’ny olombelona rehetra toa ahy, nanome fitafiana, nanome sakafo, nanome haingo. Tena ny fahatsoranao rehetra mihitsy no nomenao ahy. - Adidy tokony hataoko aminao rahateo izany noho ny razana iombonana sy ny rà iraisana. Samy MALAGASY anie isika ry IALY e !- Kanefa rehefa vitako avokoa izay tokony nataoko taminao, dia hangata –dalana aho , ary voatery hisaraka eto isika ! - Sedy a! Toa tsy ho afa –po aho raha handao anao sahady na hilaozanao! - Ka inona intsony moa no azontsika hatao ry IALY ? Izaho tsy maintsy hody hamonjy ny asako. Tsy afaka hifampiriaria etỳ foana isika, fa ny andro efa manomboka ho atoandro. - Sedy a! Mihafahafa loatra ianao ! Satria Traboina ve aho dia matahotra ianao fa sao soketain’ny tantara ho Mpanararaotra ? Tsia ry Sedy a ! Tsy Traboina intsony anie aho fa efa novonjenao e ! kanefa… - Kanefa ahoana ry IALY ? - Kanefa , rehefa namonjy ahy ihany ianao, dia vonjeo hatramin’ny farany aho ! - IALY a ! Mitovy eritreritra isika, fa menatra anao aho ! - Satria… efa voafatotra angaha ianao ry Sedy ? - Tsy mbola voafatototra aho ! Nefa tokony ho nambarako anao efa hatrany am –piadohana fa : “TIA ANAO AHO !”. - Tsy mbola tara akory ianao satria, tsy aiza anie aho fa eto an –tananao ihany e! ianao no nananako ireto zavatra mamirapiratra ihaingoako ireto ! Ianao no nikarakara ahy ! Ianao anie ry Sedy no naha toy izao ahy e! ka tsy tokony hioty ny vokatry ny fisasaranao ve ianao ? Sa ahoana ? - Tokony tokoa rahavako, raha ekentsika ho vavolombelona izao minitra izao, ary ny tantara no porofo tsy azo lavina. IALY a ! - Ahoana izay ry Sedy ? - Tsy mampaninona anao ve ny mbola hamerenako indray mandeha hoe : “TIAKO IANAO ?” - Sitrako foana izany na im –pito aza, rahavako; Satriko foana satria nifankatia mangina tanaty rivo –doza isika. Noraisiko ny loha –rantsany dia nofihininy mafy ny tanako; Nifampitantana izahay namonjy ny toerana nisy ny fiara. Navotsitro tampoka ny tanany fa naneno ny telefaonina teny amiko. - Azafady vativety fotsiny fa misy miantso ahy izany ! - Avy any am –piasàna ? - Tsy haiko mihitsy ! - Allô ! Salama tsara tompoko ô ! - Ka inona no tokony hataontsika Rasedy a ? - Aleo angamba tsy hiasa mihitsy aloha e ! - Fa ahoana ? - Ka tokony hanao ny fanamboarana navelan’ity rivo –doza ity mihitsy aloha, raha mba ho lasa androany ihany tokoa izy. Nandalo tany am –piasàna mihitsy aho io maraina io, fa bebe ihany ny zavatra simba ao ! - Bebe ahoana Rasedy a ? - Misy varavarankely nongotan’ny rivotra ao, ny zoron –drindrina mifanila amin’ny arabe koa nihotsaka, ary ilay tafo tamin’ny ilany antsinanana iny aza nipiaka daholo. Izany rehetra izany anie no mbola harenina e! - Ka hiakatra any izany ise izao ? - Ny hariva mihitsy aho vao afaka handalo fa misy zavatra sasantsasany tsy maintsy halamiko any an –trano, izao maraina izao: momba ny fanafarana entana sasantsasany ilain’ny Mpanjifa, momba ny solika hivezivezena ho an’ny Mpiasa, ary indrindra , mikasika ny fitokonan’ireo Mpiasantsika any Vatomandry. Sady misalasala koa aho anie e! - Inona no mampisalasala an’ise ? - Ka raha tena hosoloina tokoa i TSETIKO, ka tsy hitantana ny any Vatomandry intsony, araka ny fangatahan’ny Mpiasa , dia hivotsitra daholo ihany koa ireo fifanarahana vitany tamin’ireo tera –tany vahiny nifandray taminy, avy any Amerika. - Ka ataovy tsara fotsiny ny fitantanan’ise e! Alamino miandalana aloha ny zavatra rehetra. Fa tokony hidina any Vatomandry fotsiny ise amin’ny herinandro, hifampidinika amin’ireo Mpiasa ireo. - Aleo fa ho hita eo ihany izay tokony hatao e ! Tsy maintsy handalo any aminao koa aho androany, fa misy hevitra sasantsasany hifanapahana, amin’ny maha –tompon’orinasa anao. - Fa aiza moa ise izao e ? - Eto Analakaely aho ! Avy nifampiraharaha tamin’ilay vazaha nandalo tamin’ny herinandro iny, fa handeha hiverina hody any Frantsa izy ka nametrapetraka tamiko ny endriky ny fiaraha –miasa amin’ireo solon –tenany eto Madagasikara. - Eny àry, fa dia rahariva izany e ! - Mandra –pihaona e! Misaotra indrindra niantso ! - Fa iza izany ? Hoy IALY nitehina ny soroko indray. - Tompon’ny orinasa tatanako. - Hay ! Novelomiko ny fiara, ary nentiko tany an –trano IALY, araka ny fangatahany. Natorotoroko azy daholo ny endriky ny trano amin’ny ankapobeny. - Ato no efitra fandriana ! Hoy aho nitantana azy hipetraka teo ambony seza; Dia itsy ilany itsy no efitra fikarakaràna sakafo; Irony ivelany tazanao irony no toeram –pidiovana, ary ny olona mipetraka ato ambonintsika ato no tompon –trano. Aza mihafahafa fa io ny radio ! Io ny Télé. - Ary itsy no inona ry Sedy ? - Solosaina io ! - ‘Ty hoe : “Ordinatera?” - Izy indrindra ! - Ka ataonao inona ato an –trano io ? - Ilaiko amin’ny asa io ry IALY a ! Manampy ahy be dia be amin’ny fahasahiranako mihitsy io: ny amin’ny fitaherizana sy ny kajikajy maro isan –karazany. Nitombo tamin’ny fifankatiavana izahay sy IALY , fa samy tsy misy namisavisa fampakarana sy fanambadiana, na izaho na izy. Enim –bolana no niarahany nipetraka tamiko. Ary rivo –doza tahaka izao indrindra no nisy olona nandondòna vao maizimaizina tao aminay. Ny “Ikalasoa a! Kalasoa a!”, tsy nisy farany intsony tao am –baravarana. - Ianao angaha no antsoiny hoe : “Ikalasoa ?”, Hoy aho nanala ny sandriko niondanan’IALY tao am –pandriana. - “Ikalasoa” no fiantsoan’ny fianakaviako ahy ka izany no mba niadiako varotra ny hiantsoanao ahy hoe : “IALY, satria tsy te –hahatsiaro ny zavatra taloha aho ! Hoy ny bitsibitsiny teo am –poto –tsofiko. Nefa… - Nefa ahoana akia ? - Nefa toa tena feon’i Nenitoa mihitsy izany reko izany. I Nenitoa ilay niasàko taloha ! - Ilay nandehananao nitsoaka ? - Izy indrindra ka ! ka ahoana no ataontsika ry Sedy? Hafeninao aho sa …? - IALY a! Tiako Ianao! Ary tsy foiko ! kanefa sarotra amiko ny hanafina anao satria na isika aza anie tsy misy mahalala izay hitadiavany anao e ! - Kanefa fantatro fa tsy maintsy haka ahy handeha hody ny anton –diany… tsy ho any intsony aho ry Sedy a! Tsy ho any intsony mihitsy aho ! Sambatra anie aho eto anilanao e! Fitiavana mamy mandrakariva no hitako aminao na hivoaka ny trano ianao, na mody avy miasa ! …Sedy a ! - Ahoana izay rahavako ? - Ataoko ahona ny hamoy izao fiainana feno fahasambarana izao ? - Raha sanatria izao ny ora mangidy tsy maintsy hisomparana antsika ry IALY, dia mianiana aho fa tsy hanadino anao, ary tsy hanambady, tsy hanambady aho raha tsy ianao no ho vadiko. Ny zanatsika ry IALY A ! Ny zanatsika : “tandremo !!!”. Nitomany izy, nifokofoko teo an –tendako teo, ary nosintoniny indray ny sandriko ka niondanany, ary nofihininy mafy ny valahako. Onena azy mafy aho tamin’izay fotoana izay, ka nirotsaka tsy tana koa ny ranomasoko, saingy tsy nataoko fantany fa nitomany aho. Nasadiakako teo amin’ny tendany ny tanako ilany ary nanoroka azy farany aho. Nakipako ny lamba dia niarina moramora aho. - Ho aiza ianao ry Sedy ? - Eo ihany ianao, fa handeha hamoha izao olona manakotrokotroka varavarana izao aho. Vao nivoha ny varavarana, dia ny haka an’IALY tokoa no anton-dian’ireo vahiny; Ary tsy diso ny eritreritr’IALY , fa tena ny Nenitoany marina. Tsy azo nahodina mihitsy ny sainy na ahoana na ahoana nandreseko lahatra azy, “IALY” ihany, “IALY” foana, no nosokiriny : “Mila an’ IKALASOA mody izahay !” Hoy ny hiakany. Nareniko moramora avy eo am –pandriana IALY, ary nasaiko nihomana, fa izaho kosa nandamina ny fitafiany rehetra tao anatin’ilay valizy fitondràko entana rehefa handeha alavitra. Mba nanaiky ny hanaterako azy tamin’ny fiara ny Nenitoany: IALY teo aloha nifanila tamiko, izy mirahalahy kosa tao aoriana. Nangidy taminay ny fisarahana, ary tsy mbola mety ho zakan’ny saiko mandrakizao ny mieritreritra izay ranomason’IALY nipatrapatraka toy ny oram –baratra , nidina ny fiara nanaterako azy izay. Hay ny Dadany no niandry azy teo, ka nitondra azy teo no ho eo ihany hamonjy fiara ho any ANTSIRANANA, hono. Izay no nahalasa saina ahy teo am –pijoroana teo hoe : “Rivo –doza tahaka izao indrindra no nisaraka tsy fidiny izahay sy IALY: roa volana ny kibony tamin’izay !”. Samy niditra daholo indray ny mpandeha fa afaka tao anaty fotaka ny fiara, velona ny môtera, nitohy indray koa ny koranan’ny mpandeha. - Ary itony lalana itony ve izany dia tsy mba misy fanamboarana mihitsy e ? Hoy ry zalahy, teo akaikiko. - Ka lalana fitadiavam –bola anie itony e ! Hoy aho tsy rototra. - Fitadiavam – bola ahoana moa no tianao hotenenina ? - Misy sokajin’olona vitsivitsy no mahazo tombon–tsoa amin’ity faritra AMBATOMANOINA, BERONONO, AMBOHIBARY, ANTANETIBE, ANALAROA sy AMBOHIMIRARY ity; Dia ezahin’ireo sokajy vitsy ireo izay hanidiana antsika atỳ fa mahita lalana amin’izany izy. Satria raha vita tsara io lalana io, dia tsarovy fa tsy haharaka fifaninanana intsony ireo fa ho avy daholo ny vahiny sy ny Mpanam –bola avy any ivelany, ka sahy lafo amin’ny vidim –bokatra, ary hanana ny lanjany amin’izay ny VARY sy ny MANGAHAZO ary ny KATSAKA aty amintsika aty. Tena mino aho fa mety ho ny ankamaroan’ny Tantsahantsika amin’izay fotoana izay, no hanana fiara hitaterany ny vokatry ny taniny hanerana an’i MADAGASIKARA. - Ary ohatry ny Hoe amboarina anie izy ity izao e ! - Misy manamboatra mihitsy any fa ala safay e! Miverena ianao eo amin’io toerana nanitsoka antsika teo io, raha avy taona toy izao, fa mbola eo ihany ny fiara hitondra anao, no handany adiny roa sy adiny telo, hiady tany sy hanototra apombo. Mpandehandeha aho ary mahatsikaritra , fa iny lalana miala eo TALATA VOLONONDRY mianavaratra mihazo an’AMBATOMANOINA sy ANTANETIBE iny angamba no anisan’ny lalana tsy mba nisy fivoarana indrindra teto Madagasikara, kanefa dia lalana mampitohy Kaominina efa ho folo latsaka kely? Jerena avy ao ANJOZOROBE mihazo an’ I BETATAO, ka vita tsara ny lalana, na dia mbola lalan –tany ihany aza hatramin’izao, toy izany koa AMBOASARY sy ny sisa. Dia alaim –panahy ny tena indraindray hizara tsiny amin’ireo mody maty hoe : “iza no tsy mandray ny andraikiny : ny Mpitondra tompon-tanàna sa ny Mpitondra foibe ?” fa tato anatin’ny dimampolo taona, hoy ireo efa antitra tamin’iny lalana iny, tato anatin’ny dimampolo taona dia toy izao foana no niainan’ny vahoka madinika. Tamin’ny telo folakandro izahay vao tafakatra teo an –tanànan’i SADABE, ny orana tamin’izany, nijojo, nijojo tsisy farany. - Andao aloha hisakafo any amin’ny Hôtely any ry Sedy a ! Hoy ilay Mpitarika ny Delegasiônina niantso ahy. Vao nanomboka nisakafo izahay dia nitsahatra ihany koa ny orana, ary efa nisy sombin’andro kely aza efa nanandrana nipoaka. Vita ny sakafo dia niakatra indray ny mpandeha. Nizotra namakivaky ny tanàna ny fiara nitondra anay. - Fa inona indray ity hijanonana e ? Hoy ilay Ramatoabe. - Misy sakan’orana, hono, e ! Hoy ilay avy nitsirika teo amin’ny sisin’ny fiara. - Sakan’orana inona r’Ilaikely ity ? - Misy sakana mihidy io, ary tsy azo vohaina mihitsy raha avy be foana toy izao ny orana. - Ka hatory eto izany ? Hoy aho, nalaina dia nalaina. - Ary afaka ho aiza intsony moa ? Eto no misakafo dia eto no matory. - Eto anaty fiara eto ? - Ka tsy misy tranontsika aty anaka a! Hoy ilay Ramatoa be nisafosafo ny lohako indray. Dia nanorina teo tokoa izahay ny alin’iny, niverina nisakafo indray mandeha tao amin’ilay Hôtely indray, ary nandry tamin’ny moka sy ny fanala teo amoron –dalana teo. Nanatona ahy ny namanay iray nony naraina ny andro. - Sao dia tokony handeha an –tongotra isika ry Sedy a ? - Fa ahoana ilay sakana, angaha tsy nivaha mihitsy ? - Mbola ao hatramin’izao. - Ka hivaha anie io amin’ny sivy e! Izay no nolazainy omaly. - ô ry Sedy a ! Rahampitso anie ity fivoriana hovonjentsika e! sady mbola any Beronono fa tsy hoe atsy Ambatomanoina ! - Ka tsy ho vitako kosa aloha raha handeha an –tongotra mpahatonga any e ! tena tsy zakan’ny aiko. - Mandeha moramora eny e! - Aleo handrasana mihitsy aloha ry zalahy ka ! Dia samy nihodikodina tany an –tanàna tany. Tanàna sady tsy filalaovana no tsy fiantsenàna, nefa voatery tsy maintsy nandriana. Vetivety teo dia vory daholo, ary akory ny hafaliana fa nivaha ny sakana. Kanjo, gaga lavitra boho izany aho , raha ny fiara voahidy taorianay no namelona môtera sy nisongona tsimoramora, dia lasa tanteraka. - fa ahoana ny fandehan’izy ity leiretsy a ? Hoy aho, hendratra dia hendratra. - Afaka fahefatr’adiny indray, hono, vao mahazo mandeha e! - Ka naninona no tsy isika no nandeha fa ry zalahy taoriana indray ? - Toa hoe, mbola tsy masaka angaha ny sakafon’ny Mpamily ? Nandrasana izay ho ampahefatr’adiny, antsasak’adiny, adiny iray…, fa tsy mbola nandrenesam –peo hoe : “handeha”. Nidina aho nony farany. - Anontanio ny Mpamily, na handeha izy, na tsy handeha ! - Fa angaha, tsy loza ry Sedy a ! - Fa ahoana ? - Ny ondany no nataony avo be ao, dia nahazo fandriana mihitsy izy. - Ka tsy handeha izany ? - Izy,hono, tsy hiala eto raha tsy efa maina ny lalana ! Misy hevi –teny iray tsy mbola nazava tamiko, fa azoko haika izy teto; Izao ilay izy : “Sikidy mila voatsihary, ka mampandihy ny marary.” Na ianao mieritreritra, aza, vaninandro fahafiry aorian’ny fandalovan’ny rivo –doza tahaka izao ianao, vao hahita lalana maina, nefa dia izao fotaka mandrevo be izao daholo izay jeren’ny masonao ? Izany no fihetsika nandona ny hambom –poko, ka nahatapa –kevitra ahy handeha an –tongotra hamakivaky ny sivifolo kilaometatra, ary tsy maintsy vita. - Andraso vetivety àry aho hanala kiraro sy haka ny entako dia aleo mandeha an –tongotra. Nijojo indray ny orana, niha –mafy koa ny dia. Tamin’izany no nahitàko voalohany hoe: “ny lamba lena eny an –koditra, dia maina eny an –koditra ihany.” - Izao no tena fitolomana ry Sedy a ! raha tsy manao izao isika dia tsy mba hisy fisokafany mihitsy iny faritra iny ! Hoy ilay avy Miaramila. - Sady anjakazakan’ny Mpanankarena foana koa raha tsy sahy manafay azy ohatr’izao e ! Aiza ve ka ianao “gisalahy mangala –ketsa indray no avo vava !?” - Fay haika izy amin’izao ka ! Tsapany tsara fa tsy miteny intsony ny vola. Ireny mantsy no olona tsy mba nahita FAHAMARINANA hatramin’izay niainany ! - Sady mila olona sahy mijoro sy mandray andraikitra toa antsika izao koa ny Tanàna e! Olona sahy mitolona, tsy manaiky lembenana! - Ianao aza anie ry Sedy, azo lazaina hoe manana fandavan –tena ihany e! - Fa ahoana no mahatonga anao hiteny izany ? - Ka mahavita manary fotoana sy manary asa, sady mbola mandeha an –tongotra hihevitra izao fivoriana izao ho fampandrosoana ny Tanàna. - Tsy dia zava –dehibe avokoa izany rehetra izany raha manoloana ny fitiavako ny tanindrazako. Tamin’ny valo ora alina izahay vao tafakatra ny tanànan’Ambatomanoina, raha niala tany Sadabe tamin’ny iraika ambinifolo ora atoandro. Nandry teo aloha ny alin’iny, sady efa valaka dia valaka. Niainga indray ny maraina ary tany BERONONO vao nijanona. Vao tonga aho dia nanatona tao an trano IANTSO. - Arahabaina aloha fa tonga soa aman –tsara eto an –tanàna e ! - Miarahaba anareo tratra soa ihany koa r’ise a ! Sady miarahaba anareo nahatratra soa aman –tsara izao taom –baovao izao, fa mbola tsy hary nihaona anie isika e ! - Dia samy hahatratra ny ho avy daholo , no mba hirariana e ! - Ka ahoana ? Inona no vaovao ? - Hay ve ise ka tonga ihany e! Hoy IANTSO nibanjina tsara ny endriko. - Fa ahoana moa ? - Izany no malaza eto an –tanàna hoe : “leo politika, hono, ise, dia leo monina, ary misy aza sahy milaza mihitsy hoe : “sesin –tany.” - Efa ho adala ny olona ry IANTSO a ! Tanindrazako anie ity e ! Sady efa nanolorako tena. Tokony ho fantatry ny olona hofidiana, fa mety ho lanim –bahoaka izy, nefa mety tsy ho lany koa. Ny zavatra mahavoafitaka mantsy indraindray , raha manao kajikajy ara –barotra ny olona , dia noho ny fiheverany mandrakariva fa tsy maintsy hahazo tombony izy, ka manao be famaritra. Fa tokony ho fantany koa, na tokony hoheveriny milahatra amin’izany, fa “tsy maintsy ho faty antoka izy”. Raha talohan’ny nilatsahako dia efa nino aho fa mety hadresy ary mety ho resy. Fa noho ny asako any Antananarivo no tsy ivezivezeko intsony, fa tsy hoe “LEO AHO!”. Raha leo aho anie dia leo anareo e! kanefa , iza moa fa tsy ise indrindra no namako tsy mahafoy ahy eto an –tanàna ? Ary raha ny hoe : fahatongavako, dia tsy maintsy mijoro izahay fa sao handihizan’ny vorondolo ny tanàna. - Ka aiza àry izay voandalana e ? Hoy izy somary nitsiky kely izay. - Lasan’ny rivo –doza daholo r’ise a ! Niara –nihomehy izahay sy IANTSO dia nangata –dalana nody izy sady nampandroso an –trano. Izaho koa naka torimaso kely mihitsy aloha fa drodroky ny lalan –davitra. - Misaotra anareo nandao tokantrano,nandao asa aman –draharaha ao anatin’izao fotoam – panetsàna izao; tsy noheverinareo ho inona akory ny sakan’ny rivo –doza tahaka izao, fa tonga ianareo midodododo, tonga ianareo mihazakazaka, noho ny fitiavana izao Kaominina malalantsika izao. Fa misaotra manokana an’i Sedy isika, noho ny fandavan –tena lehibe nananany; ka nanariany ny asany sy nikirizany avy any Antananarivo mpahatonga tatỳ, na dia nandeha an –tongotra tamin’iny lalan –davitra iny aza. Izany no tena midika fa tiany tokoa ity faritra ity., ka na dia any alavitra sy any an –drenivohitra any aza izy, , dia tsy manadino antsika fa izao tonga soa aman –tsara eto anatrehantsika izao. Ny mba irariana dia enga anie hitohy hatrany izao fiaraha –miasantsika izao. Ary noho izany indrindra , dia mangataka an’i Sedy isika mba hitondra fitenenana kely na dia indraim – bava fotsiny aza; Hoy ny lahatenin’ny ben’ny Tanàna. Noraisiko ny fitenenana. - Fifaliana lehibe ho anay ny miarahaba anareo rehetra , nahatratra izao vaninandro lehibe eo amin’ny tantaran’ny faritra izao, nahatratra ihany koa ity taona vaovao ity, ary indrindra miarahaba antsika rehetra tsy maty fo aman’aina noho ny fandalovan’ny rivo –doza tahaka izao. Matoa izahay tonga eto dia haneho ny fiaraha –miasa, hitondra ny fahavononana hampandroso sy hampivoatra izao faritra izao; ary indrindra indrindra, tsy hiamboho adidy amin’ny maha –Mpanolotsaina anay. Izahay hanapaka, fa ianareo kosa hanatanteraka, ary noho izany indrindra no itondràna hafatra ho an’Andriamatoa Ben’ny Tanàna sy ianareo Birao Mpanatanteraka, fa sao re tompoko…, aleo sanatriavina ihany, sao sanatrian’izany ka ny zavatra izay tapahinay eto, hataonareo tanisa sy havadibadika fotsiny, ka hanjary hizara ny lalana. Fa vonona ny hiara –miasa aminareo aho, kanefa tsipihiko tsara fa “tsy mahalala n’inona n’inona afa-tsy FAMPANDROSOANA aho”. Nizotra teny ny fivoriana ary naharitra andro maromaro ihany. Samy tsy dia nisy dodona ny hody loatra noho ny rotsak’orana sy ny fiakaran’ny rano amin’ny rivo –doza tahaka izao. Nanomboka hifarana ny fivoriana, lasa koa ilay rivo – doza ary efa maina indroandroa andro ny tany tamin’izay; Efa azo nantenaina ny lalana, noeritreretina ihany koa ny fiara hitondra ahy hiverina ho atỳ Antananarivo. - Toa nanala Mpiasa iray, hono, ianao nandritra iny fivoriana nataonareo iny ? Hoy IANTSO, sady notazoniny hiresaka teo afovoan’arabe teo aho. - Iza no nilaza izany ? - Malaza be eto an –tanàna izany ! Ny namanareo isaky ny avy mivory dia mamory vahoaka any Avaratsena na eny Andrefantsena, dia ianao foana no ataony resaka hoe : “tena ratsy saina i Sedy fa noesoriny i Anona…”. - Ilay eto an –tanàna mihitsy r’ise no tsy fantatro a! tsy olona niara –niaina taminareo teto hatramin’izay moa aho ? Dia iza amin’ny eto an – tanàna indray no mbola tsy mahalala ny toetrako ? – Mety ho vitako ve izany hoy ise ? - Izaho koa aloha tsy nino hoe ise no hahavita izany e ! - Tokony hisaina tsara ny olona vao manaiky zavatra iray. Amin’ny fanapahan –kevitra anatina fivoriana toy ireny ry IANTSO a ! dia misy dia misy tokoa ny atao hoe : “MARO AN’ISA”, ka ireo no basy! Izay lanin’ireo dia lany, fa izay tsy lanin’ireo dia any… Ny MARO AN’ISA anie no nanala azy tao e ! Ary inona moa no fahotàko amin’izany , raha nanohana ny maro an’isa aho satria mba naneho ny hevitro aho, ary tsy manana afa-tsy izaho irery ao anatin’io? Ny namany sy ny mpiara –niasa taminy anie no nanolotra azy teo anatrehako, hotsipahina e ! - Ilay olona ihany koa r’ise ohatry ny tsy mieritreritra ihany indraindray a ! - Ka ny valala misy, moa ny mpilaza koa mahay ! Ny zavatra mbola mahavariana ny saiko mandrakizao, dia ny fomba fijerin’ny olona amin’ny ankapobeny. Poa toa izay dia miova vetivety eo ny fandokoany ny zavatra iray ninoany ho tsara ka vasohany ho ratsy, ary misambotra ny ratsy aminy hatramin’izay izy, ka mino izany ho tsara. Miankina amina trangan –javatra na rivotra mitsoka eo amin’ny fiaraha– monina no maninteraka izany. Saika namako avokoa ny ankamaroan’ny olona teo an – tanàna fony tsy mbola hita loko fa hitondra aho, dia samy niresaka sy nifamazivazy tamiko, na bodo, na adala. Vao niakatra teo amin’ny seza fifaninanana aho, dia lasa niahataka avokoa ny ankamaroan’izy rehetra, ary tsy nisy tavela afa-tsy ireo tsy afa –miala noho ny rohim – pihavanana na ny trosam –pifankatiavana hatry ny fony mbola zaza. Tsy manadiso an –dRAKAOSY aho, raha tsy mbola nivadika tamiko izy mandrakizao, satria sarobidy loatra ny fihavananay. Tsy mandiso an’i Zokilahy aho, raha manao tambitamby miaro felaka sy mitondra lela mamy amiko izy, satria seza iray no nifaninananay tamin’izany fotoana, ka na dia samy tsy nisy tonga teo amin’ny tanjona aza izahay mirahalahy mianaka, ny holatra navelan’ny “tsy an –kitsitsy” kosa, tsy maty ao am –pon’ny te –hitahiry. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny fandraisana zavatra ny olona; fa ho ahy, tsy mba seza no naniriako hiakatra teo amin’ny fitondràna, fa FAMPANDROSOANA, ary tsy nifanina tamina “tsangan’olona” aho, fa nitory fitiavan –tanindrazana tamin’ireo mpiray faritra tamiko. Mandrakizao anefa, dia mbola hitako milonjehitra ao BERONONO foana, ny takaitra navelan’iny fifidianana indray nitoraka iny, isaky ny mody mitsidika an’i Dada sy i Mama aho, ka midina mamakivaky tanàna, mamangy an-dry LIDY anabaviko. Nandao an’I BERONONO aho ary nihazo an’Antananarivo indray ,namonjy ny asako. Nandamina zavatra sasantsasany noho ny fiovan’asa tampoka tsy maintsy natrehako aho ary niverina indray tamin’ny andavandro mahazatra. Vao tafaverina kelikely teto Antananarivo aho, dia sendra rivo –doza hafa indray: GAFILO ! GAFILO ! tsisy farany intsony eraky ny arabe sy ny elakelan –trano. Tsy nanampo aho tamin’ny voalohany fa noheveriko hoe: “gafìny ! gafìny ! Hay izy ity ka GAFILO. Efa oram –baratra tsy nisy nivoahana an –trano vao fantatro hoe : “RIVO –DOZA”, orana izao ! Rivotra…! Apetrakao eo am –baravarana ny fatana arehitra, poa toy izay dia milelalela sy mena midorehitra ny arina. - Mba hialoka kely ato aminao izahay fa dia lena loatra ! Hoy ilay ramatoa nitantana an –janany niditra ny birao fiasàko manamorina ny arabe. Izaho moa tsy dia nandinika azy fa sady nanohy ny asako ihany, no mamaly resaka aminy eo. - Mipetrapetraha eo amin’ny seza fa ianareo aza mba mampalahelo ko ! Maro loatra koa ny rivo –doza nisesy tato ho ato izay ! Sady any amin’ilay solosaina ihany ny masoko. - Sady ity tena migafy araka ny anarany mihitsy ! tany Antsiranana izao, olona telopolo mahery no indray lasany ! Omby an –jatony ! Soa ihany izahay fa efa tafakatra tatỳ. - Mampalahelo mihitsy ho aho ny mahazo ireo traboina manerana ny Nosy. - Hay ato amin’ny Biraonao koa misy ity… Solosaina moa ? Hoy ilay ramatoa somary nitsatsaingoka. - Misy ato ka ! Tany amin’ny nalehanareo tany koa angaha nisy ? Nihankahana ilay Ramatoa, tsy niteny, tsy nivolana fa namela minitra iray tanaty fahanginana tanteraka. Noheveriko fa tsy naheno izy ka tsy notohizako intsony ny resaka. - Eny ! Hoy izy nony elaela, sady nitsangana nangata –dalana izy fa efa nitsahatsahatra ny orana tamin’izay. Nentiny indray ilay zanany dia lasa izy mianaka kely nanohy ny diany. Efa lasa nivoaka izy vao liana ny handinika ilay Ramatoa sy ny mombamomba azy aho: Ny feony dia feo tsy dia lavitra loatra ny sofiko fa efa fandreko matetitetika ! - Tena efa nisy fotoana nifampiresahako tamin’izany olona izany mihitsy e! Hoy aho niteny irery sady nidoboka ny latabatro tao amin’ny birao. Tsy haiko na nalaim –panahy aho na sendra fifandrifian –javatra mihitsy, fa izao niverina tarỳ amin’ny fito taona lasa tarỳ izo fotsiny. Taitaitra tampoka teo am –pitoerana teo ny saiko. - Rivo –doza tahaka izao…! Hoy aho niteny irery. Rivo –doza tahaka izao koa no ohatry ny nandrenesako feo tahaka izany; Feon’iza anefa ? Toa… feon’IALY ? tena feon’IALY mihitsy ! - “ Nefa mbola mahazo mangataka zavatra iray aminao aho ve? Hoy izy tamin’izay, sady tsinjoko mbola nihafihafy sy menamenatra be nihany. - Inona izay ry IALY ? Hoy aho nitsiky malefaka taminy. - Ny anaranao ! Mba tiako ho fantatra ! Mba tiako hotononina, tiako ho vita sikotra ato anatiko ny endrikao sy ny anaranao, fa nanao soa be loatra tamiko ianao ! Hoy izy tamin’ilay endrika efa nanomboka ho safotry ny hasambarana sahady. Tadidiko tsara fa tsy afa –po mihitsy izy raha tsy nasaiko niantso ahy hoe: “SEDY”. - Manina an’IALY aho izany ! Hoy aho nitsangana mihitsy teo amin’ny seza nitoerako, ary nanara –maso teo amin’ny varavaran –kely, izay tondro nizorany; nefa efa tsy tsinjoko intsony na nianatsimo izy mianaka, na nianavaratra. Tena IALY mihitsy iny rangahy a! Hoy indray aho nidobodoboka ny tolàm –baravarambe tamin’ny felan –tanako havanana. IALY mihitsy iny ! Ny feon’IALY no mitovy an’izany ! Nangina vetivety fotsiny aho , dia mbola nasavoritaky ny saiko indray. - Nefa raha IALY iny, inona no tsy niantsoany fa i “SEDY” aho ? Inona no tsy nitsorany fa “zanakay iny nentiny iny?” Sa hadinony aho ? – Tena tsy IALY indray iny fa olon –kafa ka ! Olona mahafantatra ahy tsara mihitsy matoa sahy nivily nialoka tato amin’ny biraoko. Nefa mampieritreritra ahy ilay fanontaniany hoe : “ hay ato amin’ny biraonao koa misy ity:.. Solosaina moa ?”. Tany an –trano mantsy no nahitan’IALY ohatra an’io, ary izaho mihitsy no nampianatra azy niteny hoe : “SOLOSAINA” fa ôrdinatera no firesaky ny olona taminy, fony mbola tsy nahita endrika izany izy. – Dia ilay tany an –trano ve no tadidiny e ? tena IALY mihitsy iny e! Aoka fa IALY iny ! Aleo aho hody fa sao dia lasa niandry ahy any an –trano izy mianaka, ka hotsaka ao an –tokontany ao. Nidiako ny biraoko, ary najanoko izay asa tsy vita tao. Namelona fiara aho, dia nihazo ny lalana nody. Akory anefa ny havizanako fa mbola varavarana nihidy ihany no nitsena ahy toy ny isan’andro. Nojereko avokoa tany an –damosin’ny trano fa tsy nisy nialoka, niakatra tao amin’ny tompon –trano aho, nefa tsy nisy nitady ahy, hono, teo. Izay aho vao nionona tanteraka fa tsy IALY iny tao amin’ny biraoko iny: olona nitovy feo taminy fotsiny ka nanaitra ny fahatsiarovako. Nandry aho ny alin’iny, fa tsy nahasakana ny saiko ny hametso an’IALY ny torimasoko IALY! IALISOA! Aiza re ianao izay e ? mampahatsiaro ahy zavatra maro ny rivo –doza tahaka izao !!! Hoy aho nikoso –maso teo am –pamalonana ny lamba notafiako ny maraina, sady niverina nitorovoka teo am –parafara indray : teo amin’ilay namihinan’IALY ahy indrindra. Toy ny azon’aretina aho nanomboka teo, fa toa hahitako azy daholo izay rehetra jereko, nefa tsy nisy n’iza n’iza. Vohaiko ny varavarana hitazanako izay olona ho avy, kanefa akaton’ny rivo –doza foana no sasatra : vohaiko ka gafìny! Vohaiko ka gafìny ! – ‘ty koa tena GAFILO marina ! Hoy aho, nanidy ny tranoko sady namonjy ny toeram –piasàko. - Sao dia mba misy elo azo hindramina, hono, ato aminao tompoko ô ? Hoy ilay zazalahy kely somary nirokiroky hafahafa, nijaridina teo am –baravaran’ny Biraoko. - Fa angaha ise tsy mba nampianarina miarahaba olona ? Hoy aho nanambitamby azy, sady nanatona ihany. – Avia aloha miarahaba e ! - Ka izaho anie mbola tsy mianatra e! Hoy izy sady nanatona nandray ny tanako - Iza no naniraka an’ise ? - I Neninay ! - Fa avy aiza ianareo ? - Niboaka avy ao Antsiranana ! - Ary aiza Iabanareo ? - Eto Antananarivo eto, hoy i Neny fa mbola tsa hitako. - Ianareo angaha ilay nialoka orana teto omaly ? - Eka ! - Ary aiza i Nenin’ise izany ? - Mandeha Aotomôbilina kely mavomavo io izahay, dia miandry ao izy sy ny saofera. - Ka ahoana ny fanateranareo ny eloko ? - Handalo eo, hono, izahay rahariva. Nomeko azy ilay elo fiandry niantona teo ambadiky ny varavarana, ary lasa tany izy. Valalanina ny saiko fa toa nino bebe kokoa indray aho fa IALY mihitsy iny olona omaly iny, ary ao an –tokontany ao izy izao no miandry an –janany! - Diso ihany aho! Hoy ny eritreritro. Tokony ho nadiniko tamin’iny zaza iny izay anaran – dReniny mba hahalalako ny marina; Ilay zaza anefa efa lasa any amin’izay naniraka azy any. – IALY mihitsy iny rangahy a! Hoy ny fanizingizinako ny hevitro. Nefa na izy aza iny, toa tsy ho tadidiko intsony ny endriny. Fito taona mantsy izay ! Fito taona nisarahana : rivo –doza tahaka izao mihitsy no nandrombahana azy teto an –tsandriko. Tena latsaka lalina amin’ny alaheloko an’IALY aho !!! Nangina tampoka toy ny sosoa voatapo –drano izany rehetra izany, fa ity ilay zaza niverina sady notantanan-dReniny avy eo an –kavia. Diso ny eritreritro raha nihevitra azy ho “ramatoa” aho hatry ny omaly, fa hay ka mbola tanora dia tanora ity izy. Vao avy ery alavitra ery izy dia nitsiky tamiko, nefa endrika tsy nety tafaverina tao an –tsaiko velively, nentin –kenamaso aho ka mba namaly tsiky ihany koa; Nefa na ny nitsikiany, na ny nitsikiako, dia samy tsy nisy fantatro ny antony. - Aleo fa safariako lavitra ity ! Hoy aho, dia tsy maintsy hiteny ny marina. Vao tafiditra ny biraoko izy, dia namonjy niarahaba ary nitombina teo amin’ilay efa nitombenany omaly ihany. Izaho indray kosa, nitsangana dia nitanisa izao Babay sy Lohavohitra rehetra izao. - Miala tsiny indrindra, madama, raha somary nanadino kely: ohatry ny olona efa nifanerasera tamiko elaela ihany ianao, nefa tsy tsaroako hoe : tany PALESTINE sa tany TELAVIVE ? - Teto Madagasikara ihany ka ! Tsy tsaroinao mihitsy ve ? Hoy izy nitsiky tamiko. - Misy olona iray izay afangaroko amin’ny feonao, fa dia tsy misy ivoasana amin’izany firesakao izany mihitsy. Saingy tsy eto izy izao fa lasa nifindra any Antsiranana. - Ary tsy tsaroanao ve ny anarany ? - IALY ! Izay no fiantsoako azy, ary rivo –doza tahaka izao koa no nihaonanay voalohany teto Antananarivo, ary rivo –doza tahaka izao no nisarahanay sy nitondran –dRainy azy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/mafy-orina
Mafy orina
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MAFY ORINA Rediredy ka lazaina Eritreritra tsy mandry… Mandry tsisy eritreritra ! Fa hiverina impiry Izato fatram –barin –jaza Vao haharitra ny onibe Na ireo farihy malaza ? Rediredy mitsikasina ! Fa impiry hatsàka ianao Vao haharitra ranomasina ? « Firifiry » impiry ? Fohazy indray ny nodimandry Raha mbola sahinao bataina; Bataina an’eritreri –maika… Fa hidofotra impiry Ny rora atsipitsipinao Vao hahavaky fefiloha Na handrava toho-drano ? Firy taona tsy an –kiato? Hatosikao fanondro firy Ny tamboho mirary vato Vao hirodana , hikoa ? Dia angano, anganoina Na ronono atao an –tavy : Tavin –dresaka any an –takona ! Fa hitsatoka impiry Ny kijandrajiandranao, Vao haharovitra biriky Na totorano mankadiry ? Ratra firy hitakosona ? Ho voarodanao rahoviana Ny manda be fito sosona, Na ho savilihana aza ? Fa ny herinao fotsiny No mandeha mitety rivotra Mamaky habaka tsy tratra. Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/fa-ahoana
Fa ahoana
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
FA AH0ANA ? ( ho an’i TSIHOARANA POETA ) ‘zao sombin –teny izao no nosoratako ho an’ise, fa tafahoana indrindra Izahay sy I Neny omaly, Ary tafaresaka ! Taitra aloha I Zoky e ! Niahotra fiteny ! Tsy taitram-bara –datsaka Na raho – nisalondo ; Tsy lanitra nitresaka ! Fa taitra tena taitra Amin’ny fahendren’i Neny ! Taitra FA AHOANA ? Fohy ny resakay, Nefa nahafintina Ny ho valopolo taona ! Ka izao r’ise ry zandry a ! I Neny izao matoky Ny fombofomba rehetra Fitaizako an’ise, Ary manantena Sy mino hatrany hatrany; Fa i SARONDRAHONA iny Matotra ho zoky; Ka sao dia isika indray No hamadika an’izany… Manjary hananan-tsiny ! Ny oranao raha mody, Kendreo tsy ho tratry haizina Hamofompofona alina; Fa izay tsy tian’i Neny ! Dieny zaza ise Dia aloe atoro tsara Ny tena fahendrena Sy fanajàna teny Ho fitondràna tena : “Aoka ise ho malina, Fa efa maro ihany Ny zaza toa an’ise; Niampita fa tsy tody…” Farany ry zandry, Mamela teny I Zoky, Fa ny andro ihaonana eto Hiarahana miria Tsy ifanomezan –toky; Satria I SARONDRAHONA Hain’ise ihany Fa vonombonon –dia Hikatsa –pihariana Hiroso mba haranitra ! Ka ity no teny farany Apetrako amin’ise : “na hisaraka aza isika Tsy manan-tahotra aho Raha hitanao ny lanitra” Tsy asiako avakavaka, Fa ny isan’andronao Dia aoka ho feno vavaka ! Aoka ianao hivavaka Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/teraka
Teraka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TERAKA (Ho an’ny TAFARAY rehetra, Faritra AMBATOMANOINA) Tena sarotra hadinoina Ireny lasantsika ireny, Tsy arakaraky ny omaly ! Sary tena manana aina Eo imason’ny tantara Sy ny vitrana mihaona ! Tsy nahamainty ny molaly Izay nololohavintsika Nifamoizana aman –taona. Fa mitraka izao ny teny, Lasa hirahiran –tsaina… Satritsika tsy hizara ! Fa ny fiombonantsika No lasa hery vaovao Hampiaina fihavanana Sy hampody ny taloha Ka ho aina ankehitriny ! Tsy maintsy isika ihany aloha No mitambatra ho mpinamana Sy miara –milalao Vao handroso ny vahiny ! Tsy maintsy isika ihany koa No hiara –hamakivaky Amin’iny lalana iny… Fa tsaroako foana ianao Tototry ny tabataba Sy fahanginana mahalana ! Dia tsaroako koa ianao Jaky mena , nihoson –jofo Sady mbola very lalana ! Indrindra ianao rehefa hody : Malahelohelo tava Sy entin –tsento mitambalana; Toy ny very fanafody ! Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/29-martsa
29 martsa
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
29 MARTSA Rehefa tena nohalalainiko Ary nozohiako hatrany ; Dia izao no fahitàko : Tsy tokony hisy fety mihitsy Eto an –tanindrazantsika, Tsy tokony hisy hikoràna Na hiravoravo akory; Tsy tokony hisy mihitsy kianja Handrenesana lamako. Fa tokony olona hitomany ! MADAGASIKARA ONTSA No tazanina eran –tany : Aorian’ny voninkazo? Tsisy fiaretan –tory ! Fa diso saina ihany mantsy Ny sasantsasany indraindray, Isika miloloha lanitra Sy mandia ity ivon –driaka : Tsy ireo mahery no tsaroana Fa ny rà izay nalatsany ! Tsy noho izy hoe niady, Fa ny aina izay nafoiny. Ka izany ve Sakaiza Dia ravahana mozika ? « FISAONANA tsy ASARAMANITRA ! » Fa raha sitrakao ny tolony Aleo midera an’Andriamanitra ; Noho ireo maty marobe Sy ny faherezam –pony Ka aleo hisaona ny mozika Fa sao handatsa maty isika !!! Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/maina
Maina
raozigasy
Maina teo ny molony Ka ts’isy izay voatonony Ny teny tiany ambara Fa tonga dia voarara Nakombona ny vavany Nikentrona ny tavany Hatramin’ny feony kenda Maina hatramin’ny tenda Fa notapahin-doha Ilay fitia vao nifoha Nakatona ny fony Tsy hahay hitia intsony
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/raha-sanatria-ka-hiova-koa
Raha sanatria ka hiova koa
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
RAHA SANATRIA KA HIOVA KOA Raha sanatria ka hiova koa Ianao ry hany ianteherako Dia hakomboko ny molotro Havadibadiko ny lelako Fa tsy misy intsony toky Azo hitokisana, eto ambonin’ito tany Fa toky rambaramba Imolotry ny vava ihany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketsa/setrinilay-tonkalo-adala-ve-ny-tia-sy-sarotra
Setrin'ilay tonkalo " adala ve ny tia? sy "sarotra"
Ketsa
Rahoviana no hifanojo ilay fitiavan’olondroa, Rahoviana no hihaona ilay fo roa tena tia tokoa Sarotra ve ny manantena fa any andro any volana Mbola hisy ilay maraina hilaminan’ny fo sy saina Ny adala no tia sa izay tia no adala Izaho jamban’ny fitia Moa ve te hahalala ? Ka raha ho avy ilay fotoana hitodianao amiko Moa ve tsy ho foana Ireo toloko sy tomaniko? Ka meteza ianao ho ahy sy ho azy koa tsy manahy Fa ny any faniriako dia ny eo anilanao ry tiako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/tahaka-ny-tenako
Tahaka ny tenako
Ny Kanto
Setrin'ilay tononakalo "hataka" nosoratan'i Raozigasy. Na inona sedra mahamay Sy alahelo mety hampahory Na adin-tsaina tsy ahitan-tory Sy tebiteby mampangorohoro Dia tsarovy fa tsy irery ise F’indro aho hijoro ho tena namana Vonona hihaino sy te-hanome Fanafany kely izay azo vimbinina Hiaraka hitady izay vahaolana Satria tiako tahaka ny tenako ise Raha tsy hay tohaina ny trotran’ Ny jaly tsy maintsy hihafiana Ka mila tsy ho tanty ny kaikitry Ny ranomainty mamirifiry Dia tsarovy fa tsy irery ise Hoavy aho namana hitondra tsiky Hiaraka hanohitra ireo zava-dratsy Tsy tonga hitsetra fa tena hizara Ny enta-mavesatra, hanandratra tava Satria tiako tahaka ny tenako ise !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mami/halatra
Halatra
MaMi
HALATRA Nantenaiko anie isika Hoe samy tampi –maso: Samy jamba, samy tia. Feo no nifandraisantsika Antsoantso hoe andraso Nino izany aho satria : Nitantaràna fa efa jamba Ny maso roa voatampin –damba Nefa… hay nisy ihany halatra Taminao hahalala ny amiko Sy izay miafina ato am –poko Dia mody hoe : “hiandry lahatra.” Na izany aza anefa Ianao nijery an –tsokosoko. Naniratra ny maso an’ila … dia mody nampifilafila
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/sao-dia-mba
Sao dia mba
Tsiky dia ampy
(Setrin'ilay hoe "Indray andro tany an'ala" an'i Bichette) Sao dia tsy hazo tsara No nangalako voa Tao anaty ala? Sao dia hazo boboka Tsy hita hianteherana Ho tapaka tsy ho ela. Sao dia vaha nandady Nanaraka ny taho Tsy afa-nifamela? Sao dia tsy matoy F'izaho no efa zatra Sy tia mivezivezy? Sao dia mba voaroy Nanindrona nandratra Noheveriko ho frezy? Sao dia mbola manta Kanefa efa mena Mamitaka mpandalo? Sao dia misy tompony Voafandrika hatry ny ela Ka nasiana kalo?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/malala-4
Malala
raozigasy
MALALA O! Malala o ! tiako ianao, Malala o ! tena tiako Tsy noho ny endrikao, izay haingom-pifaliako Na koa ny bikanao, voarakitry ny jeriko Sy izay rehetra anao mameno, ny ireriko Fa noho ianao nahay nahary ny fitiavako Satria ianao kay Ilay tiako ho “rahavako” ireo rehetra efa tiako, sy zava-niriko No efa tao aminao, no maha-Ianao, ilay Tiako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/takalom-pitiavana
Takalom-pitiavana
Nirhy-Lanto
Fitiavana ihany, Rahavana ! No hany takalom-pitiavana ; Ny zavatra ivelan'izany Dia lainga sy fitaka ihany. Ny vola natsanga-ko vahatra, Marefo mitovy amin-jahatra ; Tsy manda-pitiavana ireny Na lambolamboin'ny fiteny ! Fitiavana niara-narendrika No manda mahery sy mendrika, Ka manda no sady harena Fa rado nampia-bolamena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/namana-ventso-serasera-ny-kanto-bichette-malalason
Namana vetso serasera
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
NAMANA VETSO SERASERA (Ny Kanto, Bichette, Malalason) I serasera no iresahana Satria isika dia mpinamana Natambatry ny tononkalo Ho tahafin’ny mpandalo Hitantara zava-maro Ny soa sy tsara mifangaro Izay voarindra sy voalanto Sa ahoana hoy Ny Kanto? Ny vetsovetso no alefa Any aminao mba hiantefa Hampiseho karazam-piainana Hitaizana ny fisainana Ho tsangam-baton-tsangan’asa Sy tandindon’ny efa lasa Hanitsiana ny tsy mety Sa tsy izany ry Bisety (Bichette) Raha tsy nisy antsika namana Dia mahantra ny tsy manana Tsy mba manan-kifaharana Ka hilaza hoe : “niangarana” Ho tafita anie ny hafatra Na dia hoe : tsy tonga lafatra Arahim-pirariantsoa Avy amin’ny Malalasoa (Malalason) (T@ 1ora sy 17mn alina, alina nitondra fisainana)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ngadona-sy-rima
Ngadona sy rima
raozigasy
Fa ianao no gadona Ary izaho no rima Raha tsy eo ny gadonao Tsy miteny ny rimako Raha tsy eo ny rimarimako Very endrika ianao Ka ianao sy izaho Dia gadona sy rima Mahatonga tononkalo Tonon-kiram-piainana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/miafina-sandrah-laingo-zoely-nambinina
Miafina
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
MIAFINA (Sandrah, Laingo, Zoely, Nambinina) Any ambany ravina any Ao anaty vovon-tany Misy vatosoa miafina Any anaty ala any Eny antsefa-dongon-tany Misy vonin-kazo miafina Tsy tazanao raha jerena Fa hafenin’ny hatsarany Sy felany mamony Ka raha fitia vao hambolena Handravahana ny tany Dia vonin-kazo toy itony Beronono
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/aleoko-mihono
Aleoko mihono
Ny Kanto
Raha vao lasa ianao Nandrindrina ny foko Ho lao toy ny fonja Dia indro teo fa tonga Ilay sakaizanao akaiky Niezaka efa saiky Hamboraka hampiaiky Ireo tsy fantatro aminao Tsy tena haiko hono ianao Nampoiziny ihany izao F’izaho ilay tena tia iny Hay jamba sy sondriana Ireo tsy fantatro aminao ? Tsy sahiko anontaniana Inona ary izany Sakanako ho re izany ? Mahavaka saina ihany. Ireo tsy fantatro aminao ? Mihono anefa tompon-trano, Izaho vesaran’ny tomany. Fa tsy misy tiako ho re, Tsy misy tiako ho hay Ireo tsy fantatro aminao Ka n’iza n’iza hanova Ireo loko tsaranao Dia hazoniko hatrany Ilay afo nahamay Ny foko raha nahita Ilay endrikao izay Nambabo ny fanahy, Niposahan’ny fitiavako Ilay fitia tsy hita isa Izay nahalalako anao Izay no hofamihiko Fantatro anatiko Sy iriko ho fantatrao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vao
Vao
raozigasy
VAO Vao ny sarinao no hitako Vao ny anaranao no henoko Dia loza ny fangitakitako Ka noraisiko ny peniko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/riam-bato
Riam-bato
Nirhy-Lanto
Raondraona no re any ho any, Mahajemby ny fo fanimpanina ! Hay ka akon'ny riam-bato ihany No manako any am-po toran-tany ? Any ihany tsy hita hatazanina ! Rivodrivotra injay no mitsoka : Safosafon'ny tavako haraka ! Hofa lamban'ny vola-misoka, Sa fitsiky natao hanodoka ? Fiononan'izay tafasaraka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-hoe
Tsy hoe . . .
raozigasy
Tsy hoe . . . Tsy hoe ange mioty manta Fa mba tsindrin-daona Te hanantena hanta Rehefa hoe mihaona Tsy hoe ange maimaika Ka hioty ny mangidy Fa lay fitia nitsaika Ka tsy nanam-pidy Tsy dia hoe te-hisantatra Ka haka marikivy Ka fitia tsy fantatra No ndeha hatao hahakivy Fa . . . Ny tsiky izay natondraka Handonaka ny tany Hahatsara vokatra Nataony hanihany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/mety-ve
Mety ve ?
Ny Kanto
Mety ve : Raha fitia matory No hotairinao, hofohazina satria ianao no taitra Raha Voankazo mbola manta No handramanao hotazana satria ianao no maika Raha ny alin-diavolana No lazainao fa atoandro satria ny masonao jambena Raha orana mikija No hanondrahanao fitiavana satria 'zay no tianao omena Mety ve ? tena mety ve Raha ny elany tsy hary No hoentinao hanidina nefa izy tsy mbola mahay Raha fitia vao voafolaka No hoentinao mihazaka nefa izy tsy sahy sy manahy Mety ve ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/eny
Eny
Oully
Ho setrin'ireo tononkalon'i NyKanto, Bichette, Raozy, Arcane ... Satriko hampangina Hanao fanahy iniana Fa ny foko zary fay No tsy mbola mahay Sendra "Tsy fioty manta" ve? Sa rariny ny "Tsy hoe ..." Sadaikatra amin'ny "Kilalaon-teny" Setrin'ireo hafatra, ny "Eny" Manaiky aho.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ny-vehivavy
Ny vehivavy
Nirhy-Lanto
Ny olombelona rehetra dia torina fa mitovy, Saingy misy kosa anefa mbola tia manavakavaka ; Ireny no manora-tena toa voatango ka tsarovy, Fa kiniaviny ny hafa mba hivarina any an-davaka. Tsy ny tanjaka na hery, tsy ny volon-koditra aza, Tsy ny vola sy harena fototry ny toetra miavona... Izay mitory fitoviana, ireny akory tsy milaza Fa ny tandra-na Nahary no sitrahiny hiravona. Raha zo mifidifidy izay vinory hitafana, Dia lazaina ankitsirano fa saroro nozavarina ; Fa ny vavy sy ny lahy samy ambanin\'ny lalàna, Ka ny zo no itoviana sady mampitovy marina. Misy anefa fihamboniana an\'ny vehivavy irery, Mampanjoko lehilahy na maradona, nofosona ; Zovy moa no tsy haiky afa-tsy ny very jery : Fa izy hany loharano sy kitapo nifonosana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/miafina-sandrah-laingo-zoely-nambinina-1
Miafina
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
MIAFINA (Sandrah, Laingo, Zoely, Nambinina) Any ambany ravina any Ao anaty vovon-tany Misy vatosoa miafina Any anaty ala any Eny antsefa-dongon-tany Misy vonin-kazo miafina Tsy tazanao raha jerena Fa hafenin’ny hatsarany Sy felany mamony Ka raha fitia vao hambolena Handravahana ny tany Dia vonin-kazo toy itony Beronono
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/midongy
Midongy
raozigasy
Midongy ny foko ka mihidy ao an-trano Tsy mety milaza izay faniriany Matahotra hono sao mahita angano Raha toa ka mitory Fitia amin’ny tiany Midongy ny saiko tsy mety miasa Fa lasa nofy sy eritreritra lalina Ka be karajia amin’ny zava-kinasa Te hihaona aminao na andro na alina Ny dongin’ny foko sy dongin’ny saiko Fihetsika sy jery ivelany ihany Fa ny tena izy marary ny aiko Tsy sahy miteny hoe Tia avy hatrany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ranonorana
Ranonorana
Nirhy-Lanto
Injay lasa tampoka izany nofiko, Fa feo hafahafa no ren'ny sofiko, Feon'ny fianjeran'ny ranonorana : Mandresy ny akanga efa nanamborana ; Feo mampanembona an-tanin'olona, Feo mahakotsa ity fo vololona. Endrey ! izany foko fadiranovana, Misaina ilay tokana izay tsarovana ; Ilay tokana may sy mba notiavina, Toa manam-pitiavna kararavina ; Ilay azoko nofy mamatonalina, Toa faly hametraka ratra lalina. Ny foko ê ry lahy, ny foko maratrako, Ilay nofo mahantra ato anaty tratrako, Na dia tsy maba lena za izany vatana Manorana kosa eto am-panoratana !...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tazom-pitia
Tazom-pitia
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Tsy nosaininao ve ? Fa indray mitoetra monja Eo anilan-jazavavy! Dia misy hery hafahafa Toa tsinapa sy fihinina Ao am-po ka mankanavy?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ianao-tokoa
Ianao tokoa...
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Ianao... Eny ianao tokoa, ianao lay toy ny "Raozy" Na hitako aza fa feno tsilo handratra Dia tsy mahasakana ahy hioty anao izay Fa raha tsy tanteraka, na koa tsy anjarako Ny hampitoetra anao, ao anaty vaziko rahavako Dia inoako fa ho ritra, maina kina ilay rano Hany sisa mba tavela, ambiny izay efa Nanondrahako anao; Tsy inona io fa ny "fitia", Lay fitia tsy mety maty Aop am-poko ho anao, ary vonona hisedra Zay rehetra mety ho avy, na ho mamy na mangidy Fa ny fantatro dia izao: Ny foko adala "tia anao"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/resim-pitiavana
Resim-pitiavana
Nirhy-Lanto
Ny fo mifanaiky hikambana Ho rafitra tokana irery, Imason'ny fefy manambana : Dia Hery tsy resin'ny hery ! Ny resy ka resim-pitiavana Dia resy tsy mana-tsahala Mandresy ny didim-pitiavana Sy toetra tsy tian'Imalala ! Hiaraka an-dalan-kizorana, Hizara ny tsiky satria Na erika mantsy na orana, Iray ny sarotrom-pitia !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/maro
Maro
raozigasy
Maro ireo olona seraseraniko Tsara fijery sy tsara fanahy Fa ianao ihany no tiako sy mamiko Fa ny jerinao no nambabo ahy Maro ireo tsiky nisalovalovana Nandrehindrehitra fotsiny ihany Fa taminao ny foko no tena torovana Ka tonga dia babo sy lavo avy hatrany Maro ireo bika te hatao hoe tsara Manaitra maso, te hanaitra fotsiny Fa ilay anao tena azoko ambara Tiako ho ahy irery ny tositosiny Maro ireo endrika efa nandalo Tsy nampihontsona ahy na dia kely Fa taminao ahy, nifona ,nivalo Devoly ihany ireo fa ianao no anjely Maro ireo, maro ary mbola ho maro Na fakam-panahy, na haitraitra ivelany Fa ianao tokana tsy azo afangaro Tian’ny foko ary tsy ho avelany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ny-itiavako-anao
Ny itiavako anao ?
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Ataoko fa tsy bika na hatsaran-tarehy No itiavako anao! Fa ny fahendrena sy hatsaram-panahy Tsy fitia kisendrasendra na lalao Fa fitia tena fitia, tsy manam-pahatamperana Miaina ao anatiko ao No itiavako anao Ary raha tianao ho fantatra NY ITIAVAKO ANAO ? Dia tsy fantatro mihitsy, na inona aminao? Fa tiako tsotra izao Ny mifampitantana miaraka aminao R.JO (Nov 2003) Residence Ankerana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ny-kirinny-resy
Ny kirin'ny resy
Nirhy-Lanto
Ny fahareseko ! ny Faharesena .... Nampoizin-kanito ny kirin'ny tena, Dia rary nitahy ny asa ikikirana : Tsy boka herintaona izay te hisahirana ! Fa nisy nandresy, kanefa dia resy Dia tsontsa nitady ny soa an-kisesy ; Dia mbola mitoetra ho anatra marina Ny kirin'ny resy tsy maintsy tafarina ! Nafafa ny vala, ny sompitra foana, Kanefa namaka ny herim-pinoana : Ny eson-tsakaiza, ny latsan'ny havana No angady niasana ny tany ho mavana !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fyjl/ianao-fa-tsy-izy
Ianao fa tsy izy
FyJL
IANAO FA TSY IZY Nahoana aho no dia nahiliny Ka tsy mba nojereny akory? Ny fijeriny naviliny Mitondra ho azy sorisory Nahoana aho no navelany Tsy ho azy fa napetrany? Dia nakopany ny elany Ka tsy ho ahy izay rehetrany Tsy nahitany hatsarana? Sa dia leo tsotra izao? Ny fony dia efa norarana Ka dia nentiny nandao Nefa… Nahoana ianao no tia ahy? Nibanjina ahy hatrany hatrany Tsy mba nanana ahiahy, Na zavatra hafa akoatr’izany Nitoetra, tsy nandao Ary tena raiki-po Sambatra aho misy anao Ary tretrika tokoa Hitanao sy tsapanao Ny fitiavana nananako Io no nahatonga anao Nihazona ireto tanako Azy ho azy ny azy izany Ka hivalona ho tantara Aleo izy handeha any Fa ny antsika atao tsara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arcane/kilalaon-teny
Kilalaon-teny
arcane
Kilalaon-teny Setrin'ilay tononkalon'i NY Kanto hoe Tsy fioty manta Ny voa nafafy sy mbola tsy haniry Ny hazo mamoy fa maitso tanora No azo hiafiana sy andrasan'ora Fa tsy haiko didina ny foko maniry. Na ngidy na mamy no sisa tahiry Na embona izany, na zary tomany, Ny foko tsy tany fa mitempo ihany Ferako hangina ka mihirihiry Fa tokana mantsy ilay olon-tiako Tsy azo soloina na koa atakalo, Raha tsy ho ahy ? Mampimalo... Andrasako hatrany satria faniriako, Na inon-kidona, na inon-kitranga Tsy hiova sata sy saranga...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ianao-irery
Ianao irery
Ny Kanto
Nafoiko ilay fitia Mety ho tsara indrindra Tamin'ireo izay hitako rehetra. Navelako satria Ianao no ho ekeko. Aiky fitiavana. Narindriko ny foko Ninia koa tsy handre Ireo kanto hafa soa. Nakatoko satria Ianao no ho tontoloiko. Tontolo fiainana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/niriany
... niriany
Oully
Fitiavana nindramina Efa vasoka sy lao Mbola vao halamina No indro sendra anao. Fitiavana tsy ahy Fa halaina an-tsokosoko Hahavaky ny fanahy Saingy hampitony ny toloko Fitiavana adala tompo Natositosika fa botry Nanjary zatra ny nanompo Niandrandra foana rotsirotsy Fitiavana nananako fahiny Fony mbola tsisy tsiny No sendra olo-nivahiny Tsy foy na dia efa nariany Hiangaviako iny olon'iny Avereno, mba hisy hifaliany Sao io ilay fitiavana niriany Sa aleo hiaina ny fara-fijaliany ? 01h : 16mn
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hariva
Hariva
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
HARIVA Dia iny hariva iny ve No hany hariva tena farany Nahitanao ny tavany ? dia lasa aiza izy avy eo ? Sa tsy fantatrao ny havany Mba mpitsidika anareo Fony mbola tsisy ny ady? Ary hariva nanao ahoana Tamin’izay hariva rehetra Iny takariva iny ? Fa najavona ny fony Dia adinonao ny anarany, Dia tsy sitrakao intsony Ny mbola hanaiky indray ho vadiny Ny hiangola ho malalany ! Fa vitanao ny nanadino ! Ny zanakao anefa ireto Mifendrofendro, mahonena Mifangidotra amin’ny tadiny. Ny DINA vita rehetra koa Dia rano vaky am –batolampy Sy rivotra nahazo havoana : Nikoriana dia nanjavona, Ary raraka dia very ! ‘zay hilamina eny foana F’izao mbola adidinao : “aoka ho matinao porofo Ny honjohonjon’izy irery Hoe aiza marina izy ?” Ary aiza ho aiza koa Ny mety ho avin –janakao Sy hiafaràn’ireto ankizy ? Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ianao-irery-1
Ianao irery
Ny Kanto
Nafoiko ilay fitia Mety ho tsara indrindra Tamin'ireo izay hitako rehetra. Navelako satria Ianao no ho ekeko Aiky fitiavana. Narindriko ny foko Ninia koa tsy handre Ireo kanto hafa soa. Nakatoko satria Ianao no ho tontoloiko Tontolo fiainana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/andao-ho-tonga-saina
Andao ho tonga saina
raozigasy
Na hampitanjahana aza irony tendrombohitrao, Na doroina ho mainty koa ary tsy ho maitso intsony, Na kapaina sy fongorina ireo ala miaro anao, Ka potehina avokoa, ireo haingonao tsy hamony Dia tanindrazako ianao Eny, na dia tany mihotsaka sy renirano maina kina, Eny na dia “lavaka” aza, no sarisary mba nasolo ‘ty tany zary tanin’ady, nilaozan’aina sy mangina. Fa very mantsy ireo harena, sy hatsaran’ny tontolo Dia Gasikarako ianao Ny hoavin’ ny taranaka, rahampitso hanao ahoana? Handova tany maina ve! sa hatsiaka tsy ho laitra Sa hafanana hafahafa, Sa toeram-babangoana! Sa orana mikija lava, izay isika vao ho taitra ? Sao dia tara loatra ianao Hevero anefa ny taloha, saino ange ireo fahiny, Fa velom-bolo ny voahary, izay jinery maitso mavana Irony “Ntaolo” mantsy ve moa mba nanana izay tsiny? Loko tokana ny azy dia ny kanton’ilay Avana Koa mivonona izao Noho izany, hiezaka aho, hitaona antsika mianakavy Adidiko, adidinao, ndao jereo ny tanindrazana O! ry Malagasy havana, ndao banjino ny ho avy Aza ela intsony ianao sao ny tanintsika ho ngazana O ! ry Malagasy ndao Antsoina ianao ry ambanilanitra, ry vahoaka manontolo Miandry anao ny taninao, ary tena manantena Fa raha Malagasy ianao, ka mivonona hikolo Tsy ho ela dia ho maitso indray, ilay tarehim-pirenena Ndeha vonjeo ny Nosinao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/methode/malagasy-mahaleo-tena
Malagasy mahaleo tena.... !!
Methode
Malagasy mahaleo tena.... !! Ry Malagasy maro, aman-tapitrisa, mponin’Iharana Sokafy ny tsiaro, samia mamisavisa, oviana no nisantarana Ny fahaleovan-tena, fiandrianam-pirenena, androm-pahafahana Mahaleova, mahorena, tontolom-pandresena, tontolom-pahafahana Enina amby roapolon’ny volana jona, taona enimpolo Intelo ambinny folo niolana koa ny taona, arivo intsivi folo Ireo aina nafoy, mety mihoatra ka angamba, nitakiana fahafahana Ireo ilay nahafoy, ho martiry fanombohana, fitakiana fahafahana Manomboka androany, soraty ho tantara hoan’ny zanaka amam-para, Mahaleo tena androany, nitsiky ny anjara, hoan’i Madagasikara Manomboka amin’io ilay “aventure”, teny indramiko io Ny tolona ifanampio, “serrer la ceinture”, mbola teny indramiko io Tsy mora re ny afaka, fa mora ny solafaka, samia mandray anjara Tsy mora resy, valaka, na mataho-tana-mihopaka, satria ho ratsy ny tantara Nivadika ny andro, nandroso ny fotoana, niova koa ny taona Nivadika fahandro, nanova ny filoha, mandroso ny fotoana Demokrasia lamaody, io no ndeha hidirana, fa ahitana rirany Kanefa dia lamaody, toa tena nanahirana, na ny filoha sahirany! Navadika ny akanjo, nanova palitao, nanao “transition” Navadika hanjohanjo, nanova kalitao, ndao mba hanavao! Natao ny fifidianana, naongana ny ananana, malalaka (ny) safidy Fa tao ny fifanolanana, naongana ranamana, tafakatra Radidy Ovay ny pôlitika, rezima demôkratika, handeha handroso isika Ovay koa ny sobika, lay teo toa nanalika, tsy maintsy handroso isika Fa zary nofinofy, vao maika nikorosy, lay firenena efa mahantra Fa zaho toa nanonofy, vao maika nakorosy, lay fiarenana efa mba tratra Tonga saina ny olona, natao indray ny tolona, natao ny fifidianana Fotoana ilaina ny olona manao ny ainy ho sorona, ka tao Ravalomanana Dradraina eran’ny Nosy amin’ny fampielezam-peo: fampandrosoana haingana Hajaina e, tsy fanosy, ny fampielezam-peo, mpanasoaso asa mivaingana Dia hoy indray ny sasany, aleo indray tazanina raha tena olom-banona Dia ho hita ny fiasany, jereo fa mila ho fanina, angamba efa hajanona Fa maro ny mpanohana matoky fivoarana sy tanjona ifaharana Na maro ny mpanohitra matahotra ihoarana eo amin’ny fivoarana Ny ankamaroan’ny olona, toa miandry fahagagana, manantena màna Dia zary miolonolona, toa zary mpitan-damba, mampihena fikasàna Rahoviana no handroso ty tanintsika ity raha mbola izany foana? Rahoviana no hanolo ty toe-tsaintsika ity, rafotsy very laona ? Izao ny ahy ny hevitro, raha te handroso isika, handao ny fahantrana Ialao any ny hevitra , karazan-tetika ankaso hisisika hanohi-pitondrana Atambaro ny hery, samia mandray anjara, aza misalasala Raha maro dia hahery, sahia mandray anjara, fa aza mifanala Mpianatra ianao? Fahaizana am’izao no birikinao ary anjaranao! Mpiasa birao? Ny marina katsaho, ny hitsiny atao, ny tsolotra ialao Mpamboly koa angamba, mpivarotra, mpanefy fitaovam-pamokarana Mpiompy koa angamba, mpikaroka, mpanety? Manaova fivoarana Raha tsorina ny resaka, fa be ny tsy voaresaka, sao lava ny tantara Ry olona tia resaka, ka be tsy mbola niezaka, ndao handray anjara Tsy misy miolonolona, na hoe mpitan-damba, mahay mandanjalanja Tsy misy mialonalona, na hoa mpitsipa-damba, manaja ny saranga Tsy rariny zareo raha very maina teo ny ran’ny maritiry Ny rariny ekeo, ka ny hery sy aina omeo na dia amin-kirifiry Hoentina hampandroso ‘ty tanintsika ity faingàna re sahia! Hoentina hanasoa ‘ty fiainantsika ity, ho faingana ny dia. Raha eo ny fahantrana tsy mbola tena eo ny fahaleovan-tena Ka tsy eo ny fahagagana raha mbola tena tsy eo ny famehezan-tena Ny firenena hafa, matoa mandroso, lasa, dia niasa sy nisasatra Tsy noterena hiasa, na koa nanosika hafa , nilatsaka nitatatra!! Ho anao izay mamaky, ho ahy izay manoratra, mba inona no hatao? Ialao ny mitaky, avoahay izay tan-tsoroka, mba vonona ianao? Fa ny faleovan-tena mitaky fandresena, mandroaka fahantrana Ka ny fanetren-tena miampy fahendrena, mampivoatra ny tanàna
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sokafy-ny-fonao
Sokafy ny fonao
raozigasy
« Sokafy ny fonao » izay no teny farany nisarahantsika teny anefa izany teny tsotra ihany fa ao anatiko ao toy ny ao anatinao efa nisy fo iray fa te ho roa fo efa misokatra fo efa mamokatra mamokatra fitia te ho any, te ho aty tsy tokony hoe sokafy angamba no nafafy fa teny hoe “sahia” mianatra mitia na hoe mitiava indray ka roa hanjary iray tsy misy elanelana ka fitia hamelana sy fitia hamoa no hanokatra ny fo Sokafy ny fonao Dia ho tsapanao F’efa any kay Ilay olona izay Lavitra akaiky Potika taraiky Efa babonao Tena babonao Manantena hono Miandry anao ny fony Ny hamaranana azy Sady teny farany “Sokafy ny fonao”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ny-foko
Ny foko
Nirhy-Lanto
Tsy pika na vonim-boahirana Nalaiko tanivo'ny kianjany, Na felana hafa sy mirana Ravahan'ny fanjany... Manintona ireny kanefa Halazo ka mora milefa ! Izay efa nambaran'ny peniko, Ny rary mivoaka ny molotro, Tsarovy ! ivelan'ny teniko : Ny foko no atolotro ! Nibaiko an'izao teniko izao Ny fo izay atolotro anao !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/dera-ho-ani-deratarafina-raoelison
Dera
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
DERA ( Ho an’i DERATARAFINA Raoelison ) Ny hoe : « NOFY » aloha, « TSY HO NOFY ! » Nefa sarotra antenaina ‘zay fipodin’ny tantara Ho toy ireny lasa ireny; Angamba hain’ise tsara Ireo tsiaro sy tadidy Tamin’ny zava –nolazaina Na tamin’ny sangisangy vita. Indrindra izaho ilay miteny hoe : “DERA MIAFINA… DERA TARAFINA…” Fa vao nivadika ny pejy Ka nanarona ny vahona; Dia toy ny hoe izaho sisa eto Fa ise any am –pita, Ary izao tontolo izao No tsaroako ho saron –drahona Hatramin’izay hariva izay ! Nisy saina tsy nitony : Fo nandripaka ny valany ! Nisy vava sahisahy, Nanadala izay adalany; Ary nisy fahakiviana Nampikimpy ilay malalany… Fa ny ahiahiko rehetra Samy nanana ny lalany Sy nitanjozotra teny: Dia mety hisy ve ry DERA Ny andro ho maloka sahady Hamono ireny lasa ireny ? Na ho saina ravarava ! Na ho vata – mangatsiaka … ?! Asa aloha, fa izaho tsy mino… Ary mbola manantena Fa hihaona ihany isika. 26 mey 2001/ t@9ora55mnalina tao BERONONO- Anjozorobe faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ny-fony
Ny fony
Nirhy-Lanto
Ny fony no tompon'ny foko Izay tokana tsy azo sasahina, Mihidy, voahombo, voaloko, Ka tsy azon'ny hafa fitahina. Fa ô ! vona baibona mafy, Ny hombon'ny dina, Rahavako ! Na inona bala hifafy, Hajaiko ny dinam-pitiavako. Ny lango, ny bika, ny vola, Dia satriko kosa ho tsorina, Fa bala tsy mety hahatola Ny manda-pitia tsara orina. in Rindrambolana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/tsy-fioty-manta
Tsy fioty manta
Ny Kanto
Setrin'ilay tononkalon'i Oully hoe ... niriany. Ny fitia anie tsy fioty manta Koa aza maika hisantatra Ny mbola maitso sy marikivy Sao sendra izay tena mangidy Fa mahaiza miandry ny mamy Ilay mety ho fararanon-tomany Soloy ilay amboaram-pitiavany Masaka amin'ny fotoanany ... Irio f'izay no tena iriany... F''izay maharitra hono anie no vadin'Andriana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ankamantatra
Ankamantatra
raozigasy
Inona ary izany, raha mba fantatrao Nanjaka teto an-tany, manjaka hatramin’izao Henika azy io ny rehetra fitadiavana Miteraka hasiaka tsy fahalalana havana Inona ary moa, raha fantatrao lazao No mahatonga ny olona ho tia kilalao Rehefa manana azy, tsy mahafehy ny tena Mahavatra manadino ny fiainam-pirenena Inona tokoa, diniho dia valio Ny fositry ny fiainana lalovantsika anio Ny aina very taminy, maro sesehena Ary ankehitrio tsy mitsaha-mihena Inona hoy aho, inona ambarao No tsy azo amin’io, f’izay tadiavinao Rehefa izy no ananana, fenoy azy ny tanana Dia ho hitanao f’ianao ho maro namana Inona ity loza manimba firenena Na fitiavana aza mora hampanekena Ny zatovo malagasy, simba ny toe-tsainy Ts’isy afa-ts’io no masaka ao an-tsainy Inona no tsy vitany, fantaro dia fotory Ny marina aza babony raha izy no atolory Ny haratsiam-panahy, ny ditra sy forongony Ny haratsian-drehetra no fanitsak’itsy tongony Inona hoy ianao, etsy ho lazaiko Fa ny vola ihany, miteny sy mibaiko Mandidy ny tontolo, mandrava ny fisainana Mamono ny fanahy, manimba ny fiainana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/lay-fitiavana
...'lay fitiavana
oceane
Ny amiko rehetra miafina aminao Fitia tsy manam-petra no toa natolotrao Tsy hitanao akory ilay foko toa tsy tia Ianao minia matory manolotra ahy fitia Niezaka aho ny hanadino ilay fitia taloha Saingy toa tsy mampino nipongatra io, nifoha Hany hery sisa nandao anao tsy satry Nandeha hamisavisa ilay fitiavako efa maty
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/maontina
Maotina
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Tsy tao an–tsainao angamba Fa ireny hoe : “POETA” ireny, Tsy fiadiana velively Na vavàna toa adala Rehefa sendra anao tsy zakany ! Fa mangina fotsiny izy Ary maka saina kely; Dia ianao no hosoratany Ary ianao no hotantarainy Amin’ny kalony onena : Olo–maotina, Sakaiza, Ireny hoe : “POETA” ireny Fa ianao no tsy mahatsiaro tena !!! Sao hadinonao koa Ny fahamaotinan’ny POETA, Fa aleony lavitra aza Very henatra aminao Mpamiravira ny tantarany, Na miondrika mangina, Toy izay hamaly anao ! Tena aleon’ny POETA Teny tokana no hambarany, Ary teny tsy valiana! Mandinika izay lazaina Ireny hoe : “POETA” ireny Fa ianao no tsy mahatsiaro saina !!! Ireny hoe : “POETA” ireny Raha sendra andro sarotra Dia ny fahendrena ny azy No fihininy ombieny Sy vitany hiadiana varotra, Fa tsy fahakiviana akory! Izy mankahery tena Na seranan–drahona aza; Ary izany no mitory Fa mahery ny POETA ! Izy tsy mivazivazy Amin’ny resaka fiainana Fa ianao no tsy menatra azy ! Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/jona-2002
Jona 2002
raozigasy
Adino kely ny krizy, rehefa faly ny ankizy Tazano eo an-tanàna Efa anikeheo Ny ankizy mikorana Mifaly ry zareo. Ireo vantovantom-bavy Mihoraka, mikiaka Eo am-body goavy Mifampidera bika F’ireo tovolahy Isak’izay mivoaka Miseho sahisahy Manipy tsipoapoaka Ny vavikely indray Revo mifanadala “jereo ange ny anay fa tsara ny fanala” Ny lahikely ery Mikapoka, mandoaka Manaingo labozia Ity jiro kapoaka Ireo kely sy madinika Tsy mba mitomany Mibitaka,mandinika Ny eo an-tokotany Ny ray sy reny aza, milamina sy tony Mba tsy mivazavaza, fa faly koa ny fony Adino mantsy ny krizy, rehefa faly ny ankizy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/tokony
Tokony
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TOKONY Nefa laingalainga kosa Ary izaho aloha tsy mino, Raha ny maro taminao No hahavatra hanadino Ny fiarahantsika teto Na ny sangy fotsiny aza ! Laingalainganao sakaiza Raha ho fatinao ny anarako Na aiza misy ahy, na aiza ! Fa nikiry hatramin’ny farany ‘lay sakaizanao mahery Mba handrindra fihavanana ! Ary laingalainganao Sy fanahy iniana tsy tsaroana Raha ny momba ahy no ho very. Fa andro iray tsy hampoizinao Any aoriana kely any, Ary tena hiaiky ianao : Vao mifankahita isika Dia ho fantatrao ny anarako Sy ny lalana nombàny ! Tokony ho ao an –tsainao Izay rehetra nifanaovana Tamin’ireny lasa ireny Fa ilain’ny tantara; Ary ny fifamatorana Saika tsy voavaha mihitsy Sy ny resaka navoaka Na ny endrikendrika nambara. Ireny rehetrarehetra ireny No tokony ho voasanao Fa porofo sady teny… Laingalainganao sakaiza Raha ho hadinonao ny anarako Na ho aiza koa ianao , na ho aiza ! Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ny-fanambadiana
Ny fanambadiana
Nirhy-Lanto
Ny fanambadiana nekena Dia zioga mifehy ny tena, Kanefa tsy misy fandavana Fa zioga rohizam-pitiavana. Ny fanambadiana nekena Tsy misy faneriterena, Tsarovy fa tsy azo kotehina, Ny hisy ny mafy hatrehina. Ny vady tsy hafa satria Fa tenan'ny tena mitia : Fatorana tsy azo sarahina Sy tokana tsy azo silahina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/fotsiana
Fotsiana
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
FOTSIANA Dia maty moa sakaiza ‘reo olo –menavazana ! Ireo nisoron’aina Nitaky fahafahana ! Ireo nanao vivery Ho an’ny Firenena; Ka fongana sy lasana ! Maty ireo sakaiza Dia nasitriky ny fasana, Fa maty hatreo koa Ny FITIAVAN –TANINDRAZANA Tato aoriana mantsy Ny zava –nisy sisa, Dia ronono an – tavy Tsy nisy nosotroina : Noentiny hoe : “HIAKATRA” Vao mainka nafotetany Sy niha –nisavoritaka ! Nasainy nanantena Fa mainka koa voafitaka ! Ny RESA-PAHAMARINANA... Toa fampandriana adrisa ! Nanjary niova ho henatra Sy fandatsàna tena Ny hetahetam –po Hitaky sy hitolona ! Fa hay zana –baratra ‘ty zaza novelomina, Tsy toy ny namafazana… Ka very ianao sakaiza Raha ho an’ny tanindrazana ! Very koa ianao Raha ho an’ny Firenena !!! Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hiposaka
Hiposaka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
HIPOSAKA Ireny hirantsika ireny, Nokaloina ho tadidy ! Hirahira nampahatsiaro Hafanana sendra tonga ? Toa fanalahidy vao ! Ary ora sarobidy Nampahatsiaro nofy mamy : Nofy teo anilanao ! Ireny kalo mora ireny, Kalokalo sendra tonga Tany anaty tononkira; Kalokalo sy somonga Zary toa fitia nandrotsy ! Safosafo nampatory; Fa ny gadona sy paika Nanitarana azy hitohy, Toa tsy tana an –drefy akory. Dia manofy am –pandehanana : Sady mihira no mitia ! Sady miantsa no mandihy ! Sady menatra no miahotra; Tsy tahotra fa sava –lasy. Ka ny hirahira Malagasy Izay niarahana nikalo No nifamihinan –tanana. ‘zay isika vao nitia Nitia fiainana tsy foy… Vao fitia miantsinana !!! Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andy/fahatsiarovana-1
Fahatsiarovana
ny andy
Fahatsiarovana Fahatsiarovana miotrika anaty Apetrako ho velona mandrakizay Ho anao irery,ho anao mandra-maty Atao ho tsanganan'ny fo mifandray Tsy tontan'ny ela,tsy ravan'ny taona Sora-baventy tsy matin'ny gaoma Iriko izao ho tsaroanao foana Atao an-tadidy,tsy avela ho moana Rano sy vary no tanjona omaly Oreno ao anaty,ataovy idealy Volana sy kintana no mifamaly Anatiko ianao,izaho aminao any Natao ho tsaroana ny dina natao Aza hadinoina izao kanto izao: ... ny hatsaràny. FARIBOLANA SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsara-ny-andro
Tsara ny andro
raozigasy
Tsara ny andro ka indreo Izay rehetra hitako aninkeheo Toa faly sady velom-bolo Toa miramirana daholo Na ny kely na lehibe Samy mameno ny arabe Maka izay mba tandrify Sao ilay masoandro ka midify Dia samy manao fitafy Tsy menatra na mihafihafy Ka na ambony na ambany Toa miboridana izany Ireo tovovavy no jereo Fa toa tena mampiseho Ny hatanoran’ny voahary Angamba azonao an-tsary Ireo vehivavy mba lehibe Mba mody menatra ange Kanefa ny lamosiny ary Tena hita miharihary Ny lehilahy moa tsy miakanjo No mampidera volon-dranjo Miaraka amin’ny maso adalany Mila tsy hahita ito lalany Toa miramirana daholo Tena faly ny tontolo Satria tsara ny andro androany No tena nahatonga izany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andy/iny-namako-iny
Iny namako iny
ny andy
INY NAMAKO INY Tompo ô! Italahoako mafy ny tananao mahery Hitantana ito namako mamy loatra ho ahy Ianao anie hijery Tsy hamela azy irery Fa homba lalandava,hanilo ny fanahy Itovizany aminao ...Iny namako iny Aza omena tsiny Aza avela ho resy Na koa ho lavon'izao tontolo izao F'ianao ka itokiako Ny finoako manantena Hatolotrao azy...izay no mba iriko Ny tena fahendrena Iny namako iny Tompo ô! Omeo izay mba tiany Ataovy sambatr' izy,omeo fandeferana F'izay no mba iriko, ny fiainany hamelana. Tompo ô! iny namako iny Tantanonao ny diany. FARIBOLANA SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ho-ani-voalohambokatra-avy-i-dada
Ho an'i voalohambokatra
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Efa firy taona izay Niandrasako ny sombinaiko Neny firy nokasaiko Hifantenana iray Mba hatao ho Mamanao Nefa ireny dia nandalo Nisari-monina daholo I Dada ve no ratsy vintana Sa ny lahatra no sompatra “Ny anjara anefa tsy midify” Hoy ny tenin’olon-kendry Vinavina mantsy izao Ny hoe : raha vao vitanay sy Neny Ny mombamomba anao rehetra Dia efa hatrany am-piandohana Fa ianao no “VOALOHAMBOKATRA” Ary hijanona ho izay Ny anarana fiantso anao Toa miramirana daholo Ny voaharim-piainan-tsika Rehefa tonga ilay fotoana Hanatrehanay anao Mety hihomehy ny manodidina Fa anarana hafahafa No nasalotra anao Aza atao mahakivy anefa F’izay no tian’I Dadanao Hevero ange ny hafaliany e ! Raha misy feo-mamangy « Nomen’Andriamanitra ny fara e ! Ary iza no anarany ?“ “VOALOHAMBOKATRA NY AINA” “Ilay nandrasana efa ela…” Izay sy izay ny momba anao Ry sombinaiko mbola ho avy “Taratasin’I Dadan’I VOALOHAMBOKATRA”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/tsiaro
Tsiaro
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TSIARO Misy ny tsiaro tsy mety voafafa Fa velona foana ao anatin’ny saina Mamela sento sy tsiahy hafahafa Manomboka alina mandra –maraina Misy ny tsiaro tsy mety matory Fa rendremana, dia taitra ihany Miarina mbola tsy fohazina akory Mitobaka foana fa tsy mety lany Misy ny tsiaro tsy inona akory Fa alahelo ny lasa rehetra Dia lasa ny rahona indray no mivory Ka sarona foana sy toa manjoretra Misy ny tsiaro midrikina hiteny Sy te-hankalaza ny fanambaràny Te-hitafa foana ombieny ombieny Fa mety mba androny angamba androany Izany no tsiaro Maha –saro –piaro ! Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/elo
Elo
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
VOAFITAKA Toa izahay mpamangy foana ihany No azon –doza sy voakiana Ho mpanadala zaza mianatra; Nefa tokony ho hainao, Fa ny zanakao variana Milanjalanja kilalao Mitety namana sy tapaka ! Fa ny zanakao variana, Variana saingy tsy hitanao ! Ka ‘zahay mpamangy foana ihany No voakiana sy voateny Ho tsy mahalala izay hatao ! Fa ‘zahay matoa mamangy Dia mamangy noho ny fihavanana ! Mamangy noho ny maha –mpinamana ! Mamangy koa raha mbola manana… Ka tsy tokony hosakanana !!! Ny famangiana ve dia sakana Tsy hahavitàna fianarana Raha tena zaza mianatra ? Fa ny zanakao angamba No mihemotremotra an –daharana… Ka aza izahay no omena tsiny Fa iny zanakao iny Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mitady-rima
Mitady rima
raozigasy
Niezaka aho nitady Rima mba hiady Amin’ny anaranao Nefa hatramin’izao Tsy mety mba nahita Angamba tsy ho tafita Hoy ny eritreritro Ny hafatra heveriko Ka ny rima hitako Dia ny fangitakitako Rehefa iny injao Izaho hiantso anao Dia rima adaladala Te hiantso anao malala Anatiko ao mangina Tsy sahy fa sao dia gina Dia rima falifaly Fitia te hifamaly Hangalatra fitia Any aminao akia Dia rima nofinofy Hoe mitositosy Ka “isika roa” midola No ataoko Angola Dia riman’ny fotoana Nahatsiaro ilay nihaona Vetivety monja Fitiavako nanonja Dia riman’elanelana Namelona, namelana Fitiavako tanaty Fitia tsy mety maty Dia rima hampirima Fitiavana mangina Zaraiko fa tsy tantiko Miboika avy ao anatiko Ireo no rima hitako Ka teo no nofaritako Nalefako ho anao Izay tao am-poko tao Mbola hiezaka aho Hitady rima vao Tsy hihafahafa Hampahatsara tafa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/voafitaka
Voafitaka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
VOAFITAKA Toa izahay mpamangy foana ihany No azon –doza sy voakiana Ho mpanadala zaza mianatra; Nefa tokony ho hainao, Fa ny zanakao variana Milanjalanja kilalao Mitety namana sy tapaka ! Fa ny zanakao variana, Variana saingy tsy hitanao ! Ka ‘zahay mpamangy foana ihany No voakiana sy voateny Ho tsy mahalala izay hatao ! Fa ‘zahay matoa mamangy Dia mamangy noho ny fihavanana ! Mamangy noho ny maha –mpinamana ! Mamangy koa raha mbola manana… Ka tsy tokony hosakanana !!! Ny famangiana ve dia sakana Tsy hahavitàna fianarana Raha tena zaza mianatra ? Fa ny zanakao angamba No mihemotremotra an –daharana… Ka aza izahay no omena tsiny Fa iny zanakao iny Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tompo-o-ifonako
Tompo ô ! ifonako
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Manaiky aho Tompo, Fa nahavita hadalàna Nandika fefy nandrarana Nanentsi-tadiny taminao Nohevereiko fa lalan-tsara No nizorako, Hay tsapako ankehitriny Fa diso lalana ny teneko Dia aiza? Aiza no hiarenako? Iza no hamonjy ny aina amam-panahy Vaka izao ny saiko Ka hitodika; manontany hoe : Aiza ianao ry Mpiahy? Mbola mety ve ianao Raha hiverina indray aho? Ka hateraka indray Ao an-tsaham-pahendrena! Rariny aho raha voakapoka Sy voateny maharary; Ary hisaorako anao izany Fa valin’ny ditra izay natao Mantsy raha tsy nibedy ianao Dia efa taiza aho hoatr’izay ‘Lay fahoriana keliko iny No mbola hiampy afobe ? Koa raha samy hijaly ihany Aloe efaina dia eny ety Fa malahelo kosa aho Raha hijaly koa rehefa ary Ankehitriny izao no tanjoko Hiverina amin’ny lalana tinendrinao Ka hametraka sahady Izao fifonanan izao Tsy ditra ihany no ifonako Fa ny toetra ratsy rehetra Mbola mikiky ny fanahy sy mampitsiry Hevidratsy; Tompo ô ! ifonako Tsy izaho irery ihany F’indrindra ny ankohonako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fanilon-ny-poety
Fanilon ny poety
raozigasy
Fanilo sy Poety, Teny samihafa Samihafa nefa mety Sy miaraka mitafa Fanilo manazava Fanilo mampirenty Mitarika, misava Ny lalan’ny Poety Poety izay fanahy Poety zary tsilo Arofanina Fefin’ny fanilo Fanilon’ny Poety: Fanahy sy hazavana Miaraka miventy Ny kanto sy hatsarana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/lasa-indray-ianao
Lasa indray ianao!
Ny Kanto
Lasa indray ianao Tsy niteny tsy nivolana Lasa aiza tsy haiko akory? Dia rahoviana indray vao hody? Ka ho herinandro sa iray volana No hiaretako tsy hatory Hiadiako irery sy hitolomako Hitolona ny fiainana Hitolona ny jaly Sy ny fanaintainana Izaho anie tsy mankasitraka Na misafidy aza izao Hiandry ny hiverenanao Fa mahatsapa izay vitanao D’efa koa naniry ny handao Fa tsy afaka misintaka Satria efa voababonao Sy mifatotra aminao Ary noho ilay zanako iny Mba miova r’ilay tiako Fa hosaronako fitiavana Ireo lasa hohadinoiko Miverena ry malalako Miova r’ilay tiako Izay no vavako izao Tsy fantatro ny rahampitso Raha mbola ho aritro izao Ka izaho no handao anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/sarotra-2
Sarotra
Ny Kanto
Setrin'ilay tononkalon'i Malalason " adala ve ny tia ?" Tiako hijanona ianao Tiako handeha ihany koa Tsy hita izay hatao Hamela sa hihazona ilay fo ? Fa raha izao no hotohizana Dia hisy famoizana Hisy hiantso tody Sy hilaza hoe mpamitaka Nefa raha ilay tiako no mahay Mitia ahy tahaka anao Raha ny fotoana mety averina Dia nihaoana taminao talohany No faniry tena mamiko izao Nefa… Tsy afaka hitia roa ve ny fo ? Eny roa na telo koa ? Midika ve izany fa tsy tiana ilay taloha Raha ny fo sy ny fitia no manandroa ? Te-hijanona ianao Te-handeha ihany koa Tsy hitantsika izay hatao Ny Kanto. Sarotra. 2004-06-17. 8h07. Fontenay sous bois.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/filazana
Filazana
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
FILAZANA Takianay ny FAHAFAHANA Sy ny fanapihan-jioga Ho an’ny TENY MALAGASY : Takianay hatramin’ny farany ! Takianay ny FAHALALAHANA Sy ny fiainany ara –drariny, Manomboka any an –dakilasy : Tsy maintsy azonay ny anarany ! Takiana ireo Mpitondra ambony Mba ho lalam –pitolomana Am –bava sy an –taratasy: “Andriano ny an’ny tena !” Takianay ny fanjakàna Sy ny fanarenan-drova Ho an’ny TENY MALAGASY, Ho fiandrianam –pirenena ! Fa raha ireny TENY ireny Izay singa kely indrindra Amin’ny maha –ISIKA antsika No hosena sy ambaniana Dia Firenena ho aiza isika Raha ho modra –pandovàna Ity tontolon’ivon-driaka Zato taona any aoriana ? Iantsoana vonjy ianao VAHOAKA: Samy mba hanipy tanana Izany fitakiana izany, Hitolona manomboka eto Takionao hiredareda Ny lelafom-panafahana Ho an’ny TENY MALAGASY Raha mitsilopy, ampireheto ! Ary hatrany am –pahefàny Dia takiana foana izany ! FARIBOLANA SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/fandrika
Fandrika
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
FANDRIKA Raha lazainy ho halany iny Ka mitady ho tiany ianao; Dia saino tsara ihany aloha, Fa sao ny sarobidy indrindra Sy ny ho avinao rehetra No tiany hatao kilalao. Fa izy zatra mitanisa Sy mitetitety vohitra Amin’iny hirany iny ! Izy zatra manambàka Sy misavitsavi-paosy Amin’ny olona iriany. Izy zatra mioty harena Sy mitango tombon –tsoa : Miondana ny “sitrany ahay” Izy zatra manantena Sady zatra tia tena An –kafetsena sendra troatra; Ka raha lazainy ho halany iny Na mitady ho tiany ianao, Dia fadio ny maika hitsena Fa fantaro tsara izao: Iny zazavavy fandrika Manipitsipy faniriana Manodòka anao iny, Dia MENARANA FETSY LOATRA ! Vitsika mandò kitay ! Mamba tsilon’ny fitàna : Velam –pandrika malama !!! Teny Antseranam –piaramanidina - IVATO Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andy/narindra
Narindra
ny andy
Narindra Ny anaranao izay Fanonoko isan'ora Rehefa manimanina Mahatsiaro anao tsy tazako Anarana iray Tsy voavidy vola Lazaiko marimarina Fa lasitra ao am-bavako ...Anarana mamiana Manga fiantsoana Anaran'olon-tiana Fiantsàko foana Ny ainga mamy indrindra Ianao anie NARINDRA FARIBOLANA SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/saha-edena
Saha-edena
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Raha vao hitako ianao Dia nahatsiaro potika aho Ka ninia tsy te-ahalala Nikitika sy nanadala Ianao anefa tamin’izay Toa tsy nahajery ahy Fa nanondrika ny loha Raha nahita ahy teo aloha Ny topi-masonao Manitra ny ao am-po Ny tara-tsikinao Tonga lafatra tokoa Noharabaiko moramora Dia nijery kely fotsiny Raha namaly sy niangola Toa tsaroako ery ny ngotiny Izany isika nifanena Toy ny tao SAHA-EDENA Nifampitsiky sy nihomehy Nifampibanjina elabe Tsy tsapanao ve ? Fa tia anao aho ? Mba lazao re e! ‘Zay ao am-ponao ao Raha vao hitako ianao Dia nahatsiaro potika aho Ka dia tsy nisalasala; niteny hoe : Tia anao aho ry malala ! Ianao anefa tamin’izay Dia efa sahy nibanjina ahy Ka namaly moramora Toa tsaroako isan’ora isan’ora Izany isika nifanena Toy ny tao SAHA-EDENA Nifampitsiky sy nihomehy Nifanoroka elabe Mahamsina – Sud
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/adala-ve-ny-tia
Adala ve ny tia ?
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
“Tsy ambarako anao na adala na hendry f’izao no zavatra soratako” Rehefa lalim-paka Ka nanomboka nitsimoka Ary efa vaki-ravina Tao am-ponao ny fitiavako Dia nanambara ianao F’efa nisy tonga alohako Ary izy no voalohany ! Raha fantatro mialoha Sy nambaranao tamiko Fa izany no efa nisy Dia tsy nomeko tsiny ianao Fa nadio ny tamin-tsika Ankehitriny sarotra amiko Ny hisaina anao indray Ho toa “ilay namako fahiny” Ka adala ve aho; Raha nitia anao toy ireny ? Moa ny fietsika natao Tsy midika toy ny “ENY” Ka tsy haiko aho na adala Na efa ketrina mihitsy Tsy mahalala hoe : Tsy tiana Fa amiko ry Mina (Nambinina) Izy no talohako Ary; hafa ihany “ilay voalohany” Fa mba saino ihany koa Hoe : Nisy faharoa Nitia anao tanteraka Nihoatra ny fitiavany; (Dia ho sanatria ve hidify anao ny tavany) Angamba adala aho Nefa ambarako ny marina Fa adala noho “Ianao”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maminiaina/ray
Ray
Maminiaina
Tsy mba misy mianatra Ho tonga ray, Fa samy entin’ny fiainana : Fiainan’olombelona, Fiainam-pianakaviana Fiainana sy fahafatesana. Tsy mba misy mianatra Ho tonga ray Kanefa indro mandrotsirotsy Indro mamahàna Indro milalao Indro mitantara Indro manambitamby … Tsy hianarana ny hoe ray Fa vokam-pitiavana : Fitiavan-janaka, Fitiavam-bady, fitiavan-dreny, Fitiavan-dray amandreny. Ray, roa, telo …Vita ve ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/mikobana
Mikobana
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MIKOBANA( ho an’i NAINA NIRINA ARTHUR) Mahatsiaro anao izy Matoa nandrindra kalo Sy bitsika ohatr’itony ! Mahatsiaro anao izy, Dia noho ianao nandalo Nanaloka ny fony ! Dia lasa notsaroany. Mahatsiaro anao izy Matoa tsy mety tony !!! Ianao angamba lasa Dia verivery dia Sy tototra koràna ! Ianao angamba ho lasa Dia nahafoy ny tia Sy ny ankizin’ny tanàna : Ny “tary” sy ny “ akama” Ianao angamba lasa Ka tsapako ho tamàna ! Fa ny eto anie tsy miova e ! Mitabataba lava Sy mitolona amin’ny fiainana Ireto ankizy ireto, Dia resy sy mangina ! Ary hitanao ihany Fa resy noho ny tolona Tsy vitan’olon –drery Ilay SAKAIZANAO Nony tato aoriana ! Angamba tsy ho resiny Mandra –piavinao ‘lay fiakarana mideza, Ka hihemotra ny dia… Nefa ho hitantsika ihany… Fa ise no mahereza ! Ise no matokia ! Fihino ho nofy aloha Izany rediredy izany ! Fa aoka hangarahara Ny rivotr’i KIANGARA Tanànanao Sakaizako ! Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/kiady
Kiady
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
KIADY Na iza hisahotaka, na inona hipoaka Dia aoka aloha ho tony ny fihetsikao vahoaka Aty am –piandohàna Fa raha mirafarafa anaty tsilo ianao Dia tadidio tsara Fa tsy maintsy hazeran’ny lalana malama ! Ianao tsy mahalala fa ny olona efa niomana Nefa ianao indray tsy miandry hanatonana Fa tonga dia mivoaka; Farany hifandiso tsy fantatrao intsony Izay tokony hapoaka Fa ho triatra ny vilany, ho potika ny sarony ! Mandalo eny ianao: mamofompofom –banja, Tsy fantatrao intsony… fa tototra ny kianja Manaizanaizan’ady Dia iny koa ianao miroso an –tsitra –po Tsy nanan-tsiny akory, Kanjo vetivety dia potraka sahady ! Tonia ianao vahoaka dia mandamina saina Fa mbola izany aloha no tolona ilaina Hatsangana ho kiady ! Fa ho avy ny fotoana tena ilàna anao Ka meteza ho tony ! “Ny fahaizana mandamina no entinao miady ! DO.COM.CYBER Ankadifotsy, 16 Jona 2004 Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/voady
Voady
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
VOADY Hifamofo isika Dia hifampitantana Hanatona ALITARA, Ary hifanaiky; Ka tsarovy tsara Fa ny DINA rehetra rehetra No fetran –tanjontsika Na alavitra, na akaiky ! Manomboka eto izany Dia roso ny farimbona Sy izay fanaon’ny olona : Hihoitra sy hitady ! Hiaina sy hitolona ! Ary ataovy an –tsaina Fa fenitra ohatr’izany No adidin’ny Mpivady ! Etsy andaniny etsy, Tsy azontsika avela Ny resa –pianakavy Sy soritra loloha, Fa zara miandry av ; Ka hifamofo isika, Ary hifampitondra Eo imason’ny Tsitoha. Ny ho zanatsika Sy taranaka handimby, Dia tena mbola adidy Sy fanompoana masina : Satria fitia safidy ! Ka raha hivady isika Dia tena hifameno Hifampanondrotra hasina Fa ianao no anjarako Sy tolotr’Andriamanitra Ka entiko am –pitiavana Izany no anafarako Hotananao maharitra : Ho lalana rahavana ! Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/tiako-1
Tiako
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TIAKO Laingalainga kosa zandry Fa rehefa tena tian’ise Iny zanak’olona iny, Dia tsy fahotàna mihitsy Ny mamikitra azy an –tsandry ! Na mitsimpona ny diany !!! Resaka ka mba atao Fa ahoana moa no hamoizako Ny fo natorian’ny foko ? Sangy mba tsy tana fotsiny; Fa io tsy resa – kilalao Ka hoe : “ravàna dia hataoko !” Ka laingalainga kosa zandry Fa dia fanahy iniako mihitsy Ny miandry azy sy mandìny, Na hitanisa volana aza; Fa ny ohatra azy mantsy vitsy ! Ary tena tiako izy iny ! Tiako mba ho ARO-FANIKO ! Tiako ho ravaky ny Taniko ! Tiako hitsidika any amiko ! Ary TIAKO HO TOKANTRANOKO ! Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/maraina-tao-anteza
Maraina tao anteza
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MARAINA TAO ANTEZA Naraina ihany ny andro Nofikirina tsy hazava; Maraina nibaliaka ! Maraina hafahafa, Hotsakotsaka toa nandro : Maraina malo –tava Teo an –tsikin’ny masoandro ! Naraina ihany lahy Ilay ali –notsitsiana, Dia ilay alinalin –tafa Sy alinalin –kehy Zinaran’ny koràna ! Nangina ilay tanàna Nitaba sady sina ! Naraina ihany ANTEZA Nitsahanao mpandalo; Maraina toa manjombona ! Maraina saron –drahona Sy nisalondolondo, Na saron –tsiaro ngeza. Fa teo no nialoalo Ny sampana hizorana Sy ny fikoranana : Tsinjaka tsy hateza. Naraina ilay tanàna Tsinidikao an –tselatra, Dia iny fa misonga Sy mampiaka –javona Ny etsy Maroelatra ! Maraina noloahana… Maraina nisarahana ! Anteza, Antanetibe Anativolo (ANJOZOROBE), 17 Jolay 2001 Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/tiako-ianao-na-dia
Tiako ianao na dia...
Tsiky dia ampy
Tiako ianao na izy No tonga tao alohako Nambabo ny fonao Tiako ianao na azy Ny sento sendra reko Rehefa mifandao Tiako ianao na aminy No iantefan'ireo Teny mamy rehefa miaraka Tiako ianao na dia... Tsy ho ahy mandrakizay Fa tsy maintsy mbola hisaraka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nofy-lavitra
Nofy lavitra
raozigasy
Lavitra ianao Nefa tsy irery Satria ny masoko eo Mangalatra mijery Mangalatra manaraka Manaraka ny nofiko Sady atositosiko Hihanakaiky hatrany Dia ianao no hitako Ka ny bitabitako Sy fangitakitako Pelika tsy tana Tsy mba nihanahana Fa avy dia nandray Ilay rantsan-tanana Tiana hotantanana Dia nitsiky ianao Namaly tsiky ahy Nifampijery isika Sady nifamihina Sady nifanoroka Dia nifankatia No mbola nanonofy Hoe tanaty nofy Tonga saina aho F’hay lay ondan-dava Nataoko fa ianao Tapaka ny nofiko K’ilay ondana natosiko Nangarika aho nijery Nahatsiaro fa irery Fa lavitra anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nankaiza-1
Nankaiza
raozigasy
Ilay tsikitsiky sy hamiranana Ilay hafaliana tsy hainao tanana Ilay donginao mitady sitraka Mitampify sa mifitsaka ? Fa toa taratr’hakiviana Efa maloka hafiriana Fo sy saina mitalaho No endrika nasehonao Inty aho raha misy olana Tsy sanatria misolantsolana Fa tena vonona hizara Izay mavesatra tsy tsara Aza afenina, zarao Izay alahelo tantarao Izaho vonona hihaino Izay alahelonao teneno
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/isandratana
Isandratana
raozigasy
Isandratam-bony maitso ny voahary lohataona Isandratan-doko manga ny lanitra fa dify saona Isandratan-kalokalo ny vorona eny an’habakabaka Isandratan-tonokalo ny foko tia anao miavaka Isandratana fitia ilay fitia nahita anao Misandratà ry fitia, f’izaho efa tia anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/erika
Erika
raozigasy
Nampitobaka ny ony, ny erikerika matetika Nanaitaitra koa ny fony, ny fandalovanao nampiherika Faniriany mantsy hono, ny fandalovanao ho erika Hampitobaka ny fony, ka ny fitiavany ho tretrika
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriambololona-hajarivony/ratsy-maso
Ratsy maso
ANDRIAMBOLOLONA HAJARIVONY
Izato fijerinao miorirana mampatahotra mpandalo nefa tsy mampiova ... ny endrikao lalaiko miendri-boninkazo Hajar'andri
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/fitia-mangidy
Fitia mangidy
Ny Kanto
Niezaka nandefitra aho, Mba ho tianao Nanantena hoe hiova Ilay toetranao Taona maro aty aoriana Nandao ahy ianao Tsy nahasakana an’izany Ilay fitia nianjonanao Fa tsy takatry ny saiko Ny adalànao Ny hasarotam-piaro No nanaronanao Ireo fitaka efa tsara paika Izay nambabo koa ny saiko Dia azonao ny fandresena Sy ireo kinasanao Izaho voadona mafy Vaky fo sy lao Ny fotoana tena mamy Fohy ireny niarahana Fa voamangidy sesilany Ela izay no nandramako Fa tsy tiako ho fantatrao Ny jaly iainako izao Na ho ela na ho haingana Dia mbola hogohinao Izao tangenako izao Ny Kanto. Ho an’i Rianala. Mahereza, mitraka, mahatanjaha! Ny namanao Ny Kanto.Fontenay sous bois 14 jona 2004. 8 ora 19 hariva.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/dia-mino-ve-ianao
Dia mino ve ianao
raozigasy
Dia mino ve ianao fa rehefa voaveriko irony sarinao dia hoe noleferiko irony fahoriana ka tsy noraharahiako irony fijaliana nampiziogainao tiako ? Dia mino ve ianao fa vokatry ny foko ny hamela anao handao ka tsy nitalahoako sy tsy dia nahoako ny haneho toloko k’izay hoe mba ory tsy fantatro akory ? Diso anefa ianao, raha toa ka izany ny eritreritrao ; satria raha toa ka any fa tsy aty intsony, ilay « ianao » fahiny ka ny fonao sy ny fony, dia ny an’ilay vahiny no hiaraka hamony, dia izaho koa tsy hitony ; Satria tsy haiko izany, satria ianao ihany no mameno ahy : fitiavana, fanahy Kanefa hiezaka aho, handefitra hangina Hanala ny talahon’ilay foko sina Hianarako ihany koa, ny hampionom-po Hanaisotra ny helo, naterak’alahelo Fa niova koa ny fony, tsy tia ahy intsony Ka raha izay no tiany, aoka ho tanteraka Sitrako ny sitrany, hoy ny foko reraka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/mandroso-ho-aiza
Mandroso ho aiza ?
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
MANDROSO HO AIZA Tsy mbola mety ho tonga any amin’ny zavatra noeritreretiko ny vokatry ny fikarohana ataon’ny zanak’olombelona hatreto. Mandao zavatra iray sy miantsampy amin-javatra hafa izy, vao manomboka ho afa-po fa manitsaka ny fandrosoana ; ary hita taratra etsy sy eroa izany, indrindra fa any amin’ireo « Firenena kely hery sy mbola miantehatra ny tanan’ny vaventy ». Mandroso ihany tokoa, raha ekena fa tanaty ala no fonenan’ny olona fahiny, tanaty lava-bato ; nihinana hena manta, niantehatra lelan’afo avy tamin’ny fampifampikasoam-bato ho an’ny firenena sasany ary niaina tamin’ny fiotazana sy fitsimponam-boankazo masak’andro ho an’ny hafa, kanefa dia efa manana fandrehitra ara-dalàna ho loharanon’afo ankehitriny, ary misy vilàny, misy vilia, antsy… sy ny sisa ho fikarakarana sakafo mahavelona sy ara-dalàna, manjary mitoetra amina trano arovan’ny rindrina matevina sy tsy andrian’ny fanala. Tsy mandroso kosa ary ve ny fialàna tamin’ny tsizarizary mankamin’ny ara-dalàna ? Ny fandaozana ny kisendrasendra ho amina rindram-pivelomana maty paika ? mba mandroso kosa hoy aho, rehefa avy amin’ny maizina no tonga amin’ny mazava ! Saingy diso hevitra mihitsy ny olona sasany raha mihevitra fa ny fiantsampazana amina fandrosoan’olona no anariana ny zava-masina amin’ny tena. Ho antsika Malagasy, masina ny tany, masina ny teny, masina ny sata sy ny riba mamaritra ny maha – MALAGASY ; Kanefa dia ataon’ny sasany ho zava –tsinotsinona akory izany, rehefa matimatiny amin’ny fankahan –tahaka be fahatany tsy voalanjalanja izy : tsy tia tenin –drazana fa mihambo ho vahiny, nefa dia eto an –tanindrazana na nivahiny kely folo taona tany ivelany , manadino Tanindrazana fa seriny amin’ny fanangonan-karena any am –pitan –dranomasina, izay heveriny fa mariky ny fandrosoana raha miohatra amin’ireo Mpiray tanindrazana aminy. Ary ny fahotana mahafaty indrindra vitantsika eo anatrehan’ny maha –teratany MALAGASY, dia ny efa fanovantsika ho tsinontsinona tanteraka ny tsiny sy ny tody izay arofanina natanjaka teo amin’ny Ntaolo Malagasy. Hany ka tsy gaga intsony isika raha mandre amin’ireo fampitam –baovao ny karazan –kerisetra sy sinto-mahery eto amintsika , ary toa tsy zava –mahatahotra sy tsy ananana ahiahy intsony ankehitriny ny fandripahana olona sy fandatsahana aina. Asa na ireo fomba fiaina vahiny aterina eto isan’andro, na ireo horonan-tsary efa tsy voasivana intsony ho andrim-panabeazana ho an’ny vahoaka no nanova antsika ho angady malalaka anjarany ; na ny vaninandro diavina mihitsy no efa maratra, fa tonga poizina ho antsika ny fandrosoana raha any amin’ny vololon’ain’ny maha-Malagasy mihitsy no potipotiny. Marina fa ilaintsika ny fandrosoana, nefa tsy tokony hitomany randrana manendrika ny hafa fa mba fantarina izay mba sahaza ny an’ny tena, ary tsy natao hamotehana ny zava –masina kosa sanatria, fa tokony hanandratra izany ho amin’ny seha –pivoarana avo lenta. Fa raha ny lehilahy mitomany ho vehivavy, ary ny vehivavy mitomany ho lehilahy, dia aiza intsony ny fandalàna ny anjara sy ny lahatra ary ny tendry ? sady raha tsy ho voatanantsika intsony ny hevitry ny teny hoe : « FADY », dia mba fandrosoana mankaiza izany ? Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/tsiky-dia-ampy
Tsiky dia ampy
Tsiky dia ampy
Iny tsikitsikinao iny, ilay fijerinao tsy foiko Ireny no nitamberina sy nohamamiko indray hamerina ireo ratra efa nokoboniko mangina hamoha ireo hirifiry nohezahiko hadinoina hampitony ahy hiandrandra ..........ny fiverenanao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/rimam-pitia
Rimam-pitia
raozigasy
Fitia Malia Tia Doria Rimariman-teny Re ombieny ombieny Rehefa falifaly Sy asalisalin’ Ny afon’ny fitia Mifankatia ery Redy Bedy Very Irery Rima hafahafa Manova indray ny tafa Fa aloka sy saona No indray ahaonan’ Ny senton’ny fitia Resy fa dia tia Faly Jaly Ady Vady Rimarimam-piainana Rima koa fisainana Fa misy hafaliana Misy hakiviana Tsy maintsy mba mirima Ho an’ny Tia sy Tiana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vonona
Vonona
raozigasy
Na ny alahelo mitambesatra Na disadisa tsy voavaly Na ny olana hampivalan-ketraka Azonao ambara ahy Na sentosento na tomany Na ratram-po na adin-tsaina Izay mitranga rehetra any Amiko azonao zaraina Fa vonona hihaino anao ny saiko Vonona hihaino anao ny foko Ny hangina tsy ho haiko Raha ianao no mitoloko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/tafa-kely
Tafa kely
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
TAFA KELY ( ho an’i DODA ao AMBARIFAFY, Antanetibe Anativolo) Vao miserana ny alina, Dia efa hain’ise mikatsaka Ny mety ho tara –pahazavàna Ao anatin’aizim –pito Tsy mbola tratran –dia akory ! Dia iny ise manandran –tsiky Sady sahy mirobaroba : Bandikely hafahafa !!! Mahatsikaiky mihitsy ho’aho Raha ise ity ry DODA ! Vao miserana ny lalina Dia efa hain’ise mitady Ny marivo hirobohana Eo anivon –drano mamy, Tsy nandramana lomano; Dia iny ise mirafarafa Sady sahy manipy sandry: Bandikely sahisahy ! Mahavariana mihitsy ho’aho Raha ise ity ry Zandry ! Ka ezahako ho tanana Ny hoe : “ISIKA DIA MPIANAMANA TSY MBA TOKONY HIFANARY” Dia veloma indray àry, Fa eto BERONONO eto Toeram –panovozan –tsento Am –piarahana mandalo Nefa koa tsy fanakalo! Fa raha izay i FENO foana DODA a ! satriny aza, mihaona !!! Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/veloma-1
Veloma
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
VELOMA Izaho izao handeha dia hametra –beloma : Hametra –beloma aminareo SAKAIZA Mpitsidika anay ! Hametra –beloma aminareo SAKAIZA Mpamangy hatrizay ! Hametra –beloma aminareo notiavina Nandrasan –ko tia Fa mena masoandro efa akaiky hidify Ity lalana ity ! Veloma daholo ny omaly rehetra nitafatafàna Veloma daholo ny sangy rehetra namenao tanàna ! Veloma ny tsiky sy ireo hanihany Fa tsisy hovantanina : Dia aleo iny hilamina ! Izaho izao handeha ka hanao mampamangy : Hanao mamapamangy aminareo sakaiza Mpitafa amiko iny ! Hanao mampamangy aminareo sakaiza Sasa –nandiny Hanao mampamangy aminao mpiara –dia Mpisasaka rasa ‘nareo mantsy sisa no hijianona eto Fa izaho ity ho lasa ! Veloma daholo ny tariha mamy ho tadidy lalina Veloma ny kalo sy ny hira rehetra nadoaka ny alina Veloma ny horaka namaky havoana Fa sioka efa resy : Dia aleo iny hisesy ! Averiko indray, Fa “rehefa i FENO no manao veloma : Handeha izy izay !!!” Beronono- Anjozorobe, 07 Aogositra 2001 Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tokana
Tokana
raozigasy
Tokana aho fa tsy irery Rehefa mihira ny hiranao Tokana aho fa tsy irery Rehefa raiki-nofy anao Tokana aho fa tsy irery Rehefa miantso ahy ianao Tokana aho sy tena irery Rehefa ianao no tsy ao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vaoarilala-andriantsifanetra-rakotoarijaona/mitady-namana
Mitady namana
Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona
tsy mitsikera ny safidinao aho raha manoratra ity tononkalo ity, fa velom-panontaniana: fitiavana sa lamaody? Mitady namana Ny fahoriana hono ry lahy mahazaka maniraka Ka manararaotra tokoa ireo izay be mpamitaka Mba hialana amin’ity atao hoe tsy fisiana Hamidy ny tanindrazana dia mitsaoka mangina Ny sasany kosa dia tena lasa lavitra ny sainy Ka mpanelanelana na mpanera mpivady no hainy Dia io mihintsy no ataony anton’asa fivelomana Hisarihana ireo izay mikatsaka leo fitolomana Katalaogy iray no sendra tazako tany ho any Ka nahafinaritra ahy ireo takelaka feno modely Fa raha sendra ilay telo farany aho izany Dia tena gaga amin’ireto manao vazaha toa anjely Fa ny tena nahatalanjona sy mampiteny ny moana Dia ity vehivavy iray vatombatony ihany raha ny taona Toa vonona tanteraka toa tsy misy ahiahy Nefa koa dia mihaotra sao sembana rahalehilahy Dia nozahako ilay pejy, nalalaliniko, ka zendana aho Manonofy tokoa ve , sa mba kilalao sy sangisangy Ka raha ny fanisako dia folo, roapolo ny malagasy tao Rehefa zohina ilay izy dia tsy mba vandivandy Tsy sanatria mitsaratsara na mitsikera izay atao Fa ilay hery nanentana no mampieritreritra kely Ny fiainana ve, samia manao izay tiany atao Fa aza heverinao fa any ivelany tsy misy afa tsy tantely Ao tokoa ny sendra ilay volamena , vatosoa Voatondraka hatramin’ireo mpiray –tampo Ka voakolokolo tsara toa voninkazo manitra Ka inona no lazaina moa ve tsy mahafinaritra Fa maromaro ihany ireo izay naniry fiadanana Ka misavorovoro na fanahy na saina, ka mitaraina Satria ilay nantenaina fa ho namana fitiavana Dia tena goaika sy biby tokoa ka zary toa nangaina Ka akory atao nilaozana ilay akany niavina Dia voatery misotro rano mangidy tsy tiana Dia tsy maintsy mihezaka mampahery tena mangina Sa izay ilay hoe, ny nenina tsy aloha fa aoriana Ny any azonao atao raha, sendra ilay ratsy ianao Dia hanaro ireo zandrinao na malagasy toa anao Mba tsy ho azon’ny nofinofy hoe paradisa Kay ilay tany nohevina ho soa mahafeno disadisa Eny tokoa ,ankoso-bolamena,mamiratra jerena Noheverina kanto sy soa ilay firenena Kanjo ilay sary mahafinaritra anaty boky Dia natao fotsiny mba hanomezan- toky Raha ny tena marina , faniriana tsy takatry ny vintana Ilay sary paradisa , fiainana , fiadanana feno kintana Dia tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka Sainga rehefa roso lalina dia aleo tsy milaoka Sao varivarian’ny lavitra ka manary ny efa nihary Ny safidy ange tsy an’olo fa an-janahary Izay ve no heverina fa hahasoa ny ho avy Ka nahoana no tsy maintsy misara-mianakavy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/zay
'zay
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
‘ZAY Ianao raha miteny, mahaiza mandrefy, Na dia hoe : “efa ady aza no atrehintsika”; Fa raha paipaika sy hoe rafidrafitra natefitefy No bala hitifirana, Tsy maintsy milamina , tsisy mipika Vao misy mangirana ! Ianao raha miteny , mahaiza mba tony; Fa io hoe: “andaniny sy ankilany” io ,raha miohatra anao Dia be ratsy am –po sy tia lonilony : Mikendry hodivirana ! Fadio ny miraoka sy fomban –tadio Na jery sompirana. Raha fara –tsy fidiny Sendra kanonta , na zaran’angady, Dia mihemora aloha; Ka aza adinoina sy tsarovy tsara : “Misaina vao miady !” Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/lakalaka
Lakalaka
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
LAKALAKA Miahotra izy izao Fa lasanao ny fony ; Tsy adinonao angamba Ny rintony fahiny; Fa ny hisian’izao No efa tsy ninoany Sy tsy mba nantenainy. Kanjo babo ihany ! Ka vaka izao ny sainy ! Dia tankina izy izao Fa miantso anao ho “MALALA”, Tsy tao an –tsainy mihitsy Ny antsonao taloha Nisavitsavika azy. Fa nolazainy adala Andrasana ho reraka; Lany izao ny laingany Ka tankina tanteraka ! Ny anao moa lakalaka Fa izy ity no vaka… Faribolana SANDRATRA Antananarivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/voafafa
Voafafa
Ny Kanto
Dia nataonao hoe sombiny Ilay sesehena tamiko Anefa na ny kintana eny ambony Nampahalalako ilay fitiavako Tsy misy tsy mahalala izany F’Ilay fitiavana omeko Miandry ny ho tianao. ‘Lay tena heriko ao anaty N’Indro tonga fahalemeko Tamin’ny tontolonao Dia nitalaho ny hiditra aho Ho ao … amponao ao Mandondona mba vohao Ny feonao reko mba nanohina Hoe izaho manafintohina Dia nataoko hoe tsy anjara Ilay fitia mamilafila Anefa ataoko toy ny tora-pasika Mirakitra ny ratram-poko Izay voafafan’onja ka nanjavona Voafafa ilay fitia f’izaho mijanona