url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/alahady
ALAHADY
Fredy Jaofera
ALAHADY Ny andro alahady dia androm-piderana an'ny Ray mitady antsika ka tsy ialana. Ny andro alahady dia andro ivavahana tsy ho resy an'ady rehefa be mibahana. Ny andro alahady dia androm-pitoniana sarobidy no sady hajaina am-pitokiana. Ny andro alahady dia andro masina eto mbola vavahady ho an'ny Lani...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fiainana
FIAINANA
AORN
Hafaliana tsy omby tratra Rehefa misy fahombiazana Toa mikombona ny ratra Tapa-tady lay nogiazana Ravoravo ny fanahy Ka milamina ny saina Dia nisinda ny ahiahy Mahafinaritra ny miaina Fa alahelo sy hakiviana Rehefa hivadika ny rasa toy ny sarak'olon-tiana Ka any anaty no voalatsa Tebiteby tsy hay fefena Ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mendrika-iankohofana
MENDRIKA IANKOHOFANA
AORN
Mendrika isaorana Mendrika iankohofana Fa Tompo lehibe Ilay Tompo iray Tsitoha Nampisy ny mazava Ny andro sy alina Nandrafitra ireo kintana an'alinalina Fa zovy moa ny hery izay afaka mamorona izao tontolo izao fa ny hany tokana sy manam-pahefana Lay Ray an-danitra Lay tia tsy mba mandao Ka na ny Zanany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/dia-gaga
dia gaga!
tsiolaka
Dia gaga aminao aho ry kavim-barahina sady mangery maitso no vazina foana tsy vitan'ny efa manara-davahana, fa mirebika an-doto manaonao foana Ry zalahy mena somotra no mody miady manao ankandasitra hanao teti-dratsy dia ialahy mianakavy no vesaran-tsazy sy taingenam-bozona mandrapahafaty Dia gaga aminao aho r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/dada-%C3%B4
Dada ô
anarim
Dada, o Tsiaro tsy hay tohaina, rivotra mimalo Mivimbina ny hasinao ry dada no mandalo K’indramiko izy androany Handrara ahy tsy hitomany… Nahoana tokoa moa no hitanondrika ny loha Raha indro ianao ry dada fa làsana nialoha? Satria inoako sy antenaiko fa tena mbola hihaona Any am-parany any, rehefa tonga ny fot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/taona-iray-no-lasa
Taona iray no lasa
RODER
Taona iray no lasa, mitondra tantara, Feno tsiky sy ranomaso nifangaro tsara. Ny fotoana rehetra, toy ny rivotra mandalo, Mitondra hafatra tsy ho very ao am-po. Ny masoandro niakatra, nidina tsy tambo isaina, Nampianatra fahendrena, nampitony ny fisaintsaina. Nisy tolona, nisy fandresena, nisy fihafiana, Nampahe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rehefa-ny-filoha
REHEFA NY FILOHA
AORN
Rehefa ny filoha no maivamaivan-doha hanondrana izy izay! tsy tena mahafehy ny ekipany ao an-dapa zay tia manenji-dresy miampy rahom-bava... fa tiany moa ireny dia avelany hiteny Rehefa ny filoha no tsy mivaky loha tsy marina izy izay fa ny any anindran-tany tsy asiany topi-maso reo tokan-trano maro jinj...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/ny-fahalasananao
Ny fahalasananao
Randja
Ny andro nialanao teto amiko iny no nahatsapako fa misy fahabangana teo amin'ny fiainana nefa tsy misy hafa ankoatranao iny no olona azoko hianteherana, hametrahana fitarainana Tsy mba endrika mirana no tazanao fa toa feno alahelo, kotsan-dranomaso malomaloka ny andro, tsy hita izay atao tsy misy hafanana toa za...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/azonao
azonao!
tsiolaka
Azonao rombahina izay rehetra am-pelatanako dia azonao fongorina izay kely mba hananako F’izaho tsy hiteny izany,sanatriaviko ny hamaly tsy hanandra-tonombavaka na hiantso tody izany Azonao lotoina amin’ny resa-tsy manjary ataovy ambetin-dresaka ,omeo teny maharary fa hangina aho tsy hiteny,toa ireny moana ireny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/lafatra-ianao
Lafatra ianao
RODER
Lafatra Ianao Lafatra ianao, tsy hoe satria tonga lafatra, Fa satria amin’ny fo no anomezanao fitiavana. Ny teninao mamy toy ny feon’anjely, Ny fisianao, fanilo amin’ny lalako ankehitriny. Tsy mila akanjo sarobidy aho mba hahita hatsaranao, Fa ny fihetsikao an-davanandro no manaitra fanahy. Tsy mila volamena aho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ilay-dinako-aminao
ILAY DINAKO AMINAO
AORN
Na tsy nitsiky tamiko ty fiainana mandalo Na te hanala ny aiko ireto fahavalo Ianao lay mpiandry tsara zay tiako sy lalaiko Niaro sy namefy, nitsimbina ny aiko Fa tombanjeriko ihany zay hitako eto izao Tsy takatro hovisaina izay mety lalanao Ianao no manana hevitra ry Tompoko Tsitoha Hanakana reo loza, hampiano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/avia-ry-jesoa-manoloana
AVIA RY JESOA MANOLOANA!
AORN
Ravoravo ny fanahiko velom-bolo ny tontoloko rehefa Ianao no ato anatiko Ray malala sady tokiko Ka ny adin-tsaiko lalina Miampy ny ahiahim-poko tsy mampandry ahy andro sy alina noho ny sento sy toloko rehefa Ianao mandray an-tanana iza moa no mahasakana? Rehefa ianao mialoha ny lalana sesehena ny hasoavana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-mangiana-ataovy-fady
NY MANGIANA ATAOVY FADY
AORN
Aza resy tsy mba miady Manoloana ny tsy rariny Ny mangiana ataovy fady ndrao hanenina any am-parany fa ity tanintsika ity tsy natao ho an'olon-dratsy izay miatsara ivelan-tsihy Nefa lomotra any anaty fa ity tanintsika ity tsy hanangonana harena reo milaza ho tena tia nefa manamoky tena fa ity tanintsika ity...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/adalam-pitiavana
ADALAM-PITIAVANA
AORN
Adalam-pitiavana hono ny fony tsy azo nanarina koa zato sainy Tsy mety nangiana tsy mety nitony Fa io no malalany sady lalainy tsy laitra akisoka moa rehefa tia fa afo mandoro io mirehitra anaty tapohanao rano vao miha mankafy mitsilopilopy kanefa tsy maty aleony hono tsisy toy izay tsy mitia fa iny lay tokany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tatazo
TATAZO
Fredy Jaofera
TATAZO Izao no hafatra hatrany am-para ka andeha re, tatazo : aza mitsahatra ny ho olona tsara, na inona mahazo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/hafa-kely
Hafa kely
Nosy Malala
Hafa kely, Zava-misy hafa kely no tantaraina, mahafinaritra, mahatonga saina, Raimpianakaviana, manantalenta, Manasa trano, mandray koveta. Izato fahaizany manolo salaka, Izy aloha tena tsy mihafahafa, Mampandro ankizy, manao lakozia, Mahandro sakafo, mangorom-bilia. Mazoto tsara izy mandeha miantsena, Hainy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hira
HIRA
AORN
Raha sendra hakiviana fa sarak'olon-tiana dia hira no venteso hanala sentosento Raha tobak'hafaliana fa tojo izay niriana dia hira atao am-bava hamirana ny tava fa hira no manala zay vesatra any anaty reo ady manadala maningotra tsy tanty fa hira mampitony reo adin-tsaina maro Manala lonilony sy ratra mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/mahatsiaro
Mahatsiaro
RODER
Ianao no mahatsiaro Fa tsy misy aho eo anilanao Satria ianao sarom-piaro Ny laharam-pahamehanao tamiko Tsy hita intsony izao Na dia mahatsiaro aza ianao Mahatsiaro ny omaly ve? Izay tsy hiverina intsony Fa natao mody tsy teo Ny fiainana feno ozona Ny finoana mihozongozona Fa izao ianao no mahatsiaro Samy ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandalova
MANDALOVA
Fredy Jaofera
MANDALOVA Ny aty, tsy miova hatramin'izao fa tia tsy miteny ka mandalova raha sitrakao no irina ombieny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ity-taratasy-ity
ITY TARATASY ITY
AORN
Ity taratasy ity, hampitondraiko anao Ho entinao ho azy Kajio mba tsy haloto na latsaka eny an-dalana Fa any anatiny any, no ahitany taratra Ilay foko mitomany... Fa any anatiny any, lay lasako voasilaky Ny ratra sesilany.... Avela ho hitany ao Irony fahatsiarovana Reo Andro nahafinaritra Niainanay naharitra....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/sur-aho-fhivoaka-amy-makarakara
SUR AHO F'HIVOAKA AMY MAKARAKARA
AORN
Sur aho f'hivoaka amy makarakara Matoa ny eo akaiky efa vaky barara hoe efa tsy mendrika an'i gasikara lay hitsakitsahin'ireo mpikafara aiza ka olona an-jatony maro no matin'aretina tsy mba voaaro ny tazo mandripaka atao mifangaro amin-javatra hafa dia hoe ampiakaro Ny vola voaray tamy tany namidy dia efa voaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/re
RE
NY Andri-Fara
RE Androany aho vao nahatsapa Fa tsy azoazoko ny lasako. Te hangina tsy hitroatra! Kanefa nampitombo indray ny fahoriako. Nahoana moa...? Hay ve!tsy noferana ny baiko!? Nekena hankatoa ny tsy tia! Tsy maintsy adinoina ny tantara? Indrisy mantsy fa na dia hanakoako ho ren-danitra ny feonao hitoloko, Tsy ahita...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/dokotera-sa-tsy-dokotera
Dokotera sa tsy dokotera,
Nosy Malala
Dokotera sa tsy dokotera, Raha zanakareo ity tanora ity, Havana, namana na koa "chéri", Ka hanao dokotera no iriny ho aviny, ianareo no nanampy azy ho sangany. Saingy tsy izay aloha no zava-misy, Tanora mitolona izy, isan’ireo vitsy, Ka mirongatra maro, hamotika azy, Ngaha izy nangalatra na namosavy ? Indrain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/mijoroa-ianao
Mijoroa ianao
RODER
Mijoroa ianao Mijoroa ianao, Na dia mandrahona aza ny rahona, Fa ao ambadiky ny haizina, Mbola misy masoandro mitraka. Aza kivy rehefa mikitroka ny rivotra, Fa ny hery ao anatinao Dia toy ny hazo mafy fototra, Tsy hiongana amin’ny tafio-drivotra. Mijoroa ianao, Tsy ho anao irery ihany, Fa ho an’ny nofy mbola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-anny-tena/serana
SERANA
Ny An'Ny Tena
Injao fa manery mitrebona am-po Ilay fitia nalevina noheverina ho lo, Nantenaina ho faty efa hatry ny ela, Hay, indro ankehitriny, nifoha ny tavela. Tsy hay ny hoaviny mbola ankamantatra Aloha ny hany hay dia io ao fatratra, Mandona tsy miato manavotra aina Fa niserananao ilay fo efa maina Mirary, maniry ny hah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tsiokanny-saina
Tsiokan'ny saina
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Etsy anie ry saina e! Andriamanitra iza no ianteheranao, Hanolotra hamamiana. Kanefa ianao tsy mino, fa feno fijaliana, Ny lalàn'ny fisiana. Tsia, fa mila ianao manaiky, miaina sy mizàka, Sy miady ka mijoro, Mitady varavarana ahafahana mivoaka. Ho kivy va ianao, nandao anao ny namana a? Tsia, fa sokafy re ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mbola-ho-tony-ve-ny-saina
MBOLA HO TONY VE NY SAINA
AORN
Mbola ho tony ve ny saina Manoloana ireto geja zay mahazo anao ry Nosy? Fa zay olona antenaina toa miresaka mateza nefa hay nanosiosy Nientanketana am-boalohany mody hoe nafana fo dia nivatravatra fihetsika Moa ny tena tao an-dohany Kajikajy maro lafy Hafetsena miaro tetika Reo milaza ho tia anao rehefa ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vola-ny-fotoana-2
VOLA NY FOTOANA 2
Fredy Jaofera
VOLA NY FOTOANA Vola ny fotoana vao eto hitandro ka ataovy foana mety isan'andro. Vola ny fotoana iainana mangina ka ny manoloana, asio asa itokiana. Vola ny fotoana mandidy antsika hisy voamboana mafy raha adika. Vola ny fotoana vao hisy harena hita hahamoana toy ny volamena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-akaniny
NY AKANINY
Fredy Jaofera
NY AKANINY Raha eto mamorona ka tojo asa sahaniny, isan'andro, ny vorona no manao ny akaniny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/ora-farany
ORA FARANY
havotraniaina
ORA FARANY. Fony ianao narary, teny amin'ny hopitaly, Dia nisy tsiky, nomenao anay ry Neny, Tsiky tena mamy , lavitra tomany, Zary nankahery, ilay tsiky feno hery. Iny tsikinao iny, tsiky manan-danja, Tsiky feno fifaliana, toa lavim-pahoriana, Tsiky manantena, ilay fiainam-pandresena, Tsiky manome aina, ho an'n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manampy
MANAMPY
Fredy Jaofera
MANAMPY Ny elanelana indraindray dia manampy hitia anao bebe kokoa, na ahoana ? Marina izany raha tsy hay fa tsy rediredy mba natao hampanahy mafy foana. Fredy JAOFRA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iza-no-naka-ny-toerako
IZA NO NAKA NY TOERAKO ?
Fredy Jaofera
IZA NO NAKA NY TOERAKO ? Iza no naka ny toerako ao am-ponao, ry tiako, fa alahelo tsy noferako no mamely sy ijaliako ? Iza no naka ny toerako mahasambatra ny ora fa marobe ny fitserako mahamaina itony rora ? Iza no naka ny toerako mampivazo lalandava ? Asa re fa ny fiheverako mampanjombon-tava ? Iza no nak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/tankina-aho
Tankina aho
Toetra RAJA
Tankina aho, tahaka ny inona ! Tsy hitalaho anefa tsinona na voarota sy jambena ho fanavotam- pirenena, fa miezaka ny hahitsy, tsy mifezaka mihitsy manoloana herisetra mahamoana ny rehetra. Tankina aho, tahaka ny inona ! Mifamaho- faho tsinona ny vahaolana mivaona amam-bolana aman-taona, vahaola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iraky-ny-fit/mitomoagny-ny-gasy
MITOMOAGNY NY GASY
IRAKY NY FIT...
Mitomoagny aro ny gasy,isan'andro mitaraigny Jalim-piainagna efa mafy efa tsy hay ny hantenaigny Mikofoko Mitady, isan'andro tsy mipetraka Tsy mitsitsy aigny karaha tsy mbo reraka Mitomoagny aro ny gasy, asa regninao izy zegny Raha oanigny iniany zahavagna amaregny Fiakaram-bidim-piainagna isan'andro no mitombo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/mitsang%C3%A0na-ary-mamirampirata
Mitsangàna ary mamirampirata
RODER
Ny vavaka nitsangana Mavesatra fa soa Nihira tao anaty Tsiky teo am-bava fo Hery tsy azo tsoahina Mitondra fahombiazana Arahabaina Arahabaina Vehivavy tafakatra Miarina tsy mijanona Arahabaina Arahabaina Ny antsan’i Masindahy Fandresena no tantara Ny lalana nanakoako Tanjona tsy nofinofy Mifamatotra ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-mifampatoky
REHEFA MIFAMPATOKY
Fredy Jaofera
REHEFA MIFAMPATOKY Eto am-pihainoana mozika ny tenako ory te ho mirana no azon-tsento tafahoatra ; rehefa mifampatoky isika ny fotoana sy halavirana, tsy tsaroana mafy loatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ala/fofonaiko-farany-et-mon-souffle-seffrite
Fofon'aiko farany
Ny Ala Zohimbato
Fofon'aiko farany Halahelo ny eto an-tany, Rehefa hiteny amin’izay ny Ray, Hoe mba jereo raha mba any, Raha mba any izaho izay. Eto an-tany ho any an-danitra, Izay no lalana ho aleha, Dia ahita an’Andriamanitra, Ka hifaly sy hiomehy. Efa novolena ary ve ilay D’ilay hazo ho vata-patiko? Efa vita izy izay? Mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/ratram-po-halahelo
RATRAM-PO : HALAHELO
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
RATRAM-PO : HALAHELO Dia vitanao tokoa moa Ny niala tsy nisy fanazavana ho an’ity fo. Navela nitolona irery sy hangaina, Ilay foko nitady famaliana, nitaraina. Tsy nisy teny na fanambarana nohenoina, Fa toy ny tabataba fotsiny dia hadinoina. Rehefa niezaka niangavy am-pahatsorana, Dia noratrainao tsy nisy indra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hisy-intsony
TSY HISY INTSONY
Fredy Jaofera
TSY HISY INTSONY Tsy hisy intsony ny raozy toa anap ho hita hamony, hitory fiainam-bao. Tsy hisy intsony ny voady sarobidy nantenaina fony izay no mba safidy. Tsy hisy intsony ny toky nirosoana tiana hampitony ny ora am-pinoana. Tsy hisy intsony ny fitia nijoalajoala tsy nisy lonilony sy mbola nanadala.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ilay-tsenanasabotsy
ILAY TSENAN'ASABOTSY
AORN
Akory ny hatairako, sa izaho no manonofy hoe may sy torotoro ny Tsenan'Asabotsy Lay tsena nampalaza ity tanana nahabe Tomany sy alahelo ny tao Antsirabe Raha misy ny mampiavaka ity tanana ity Io tsena io no anisany sy maro mpankafy Fa zovy no tsy handalo hividy sy hizaha Reo vokatry ny tany, mamelona tantsaha? ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ampiasao
AMPIASAO
Fredy Jaofera
AMPIASAO Ampiasao ny fitiavana hampirindra itony tany sy ho tontolo mavana no hipoitra aok'izany. Ampiasao ny fifaliana hampisosa irony tsiky hampiranga fitahiana tsy nitsahatra nikiky. Ampiasao ny filamatra hivoarana raha tsorina ho toky tsy mitsahatra rehefa tena mafy orina. Ampiasao ny fiadanana hampit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asaphs-mahane/2-8-j-u-i-l-l-e-t
2 8 J U I L L E T
Asaph's Mahane
Ny teny tokana lazaiko Dia fisaorana ho an'ny Raiko : Tompo o, Misaotra Anao isan'andro Fa nomenao tombon'andro ? Mitombo iray indray mantsy Ny taona atsy ho atsy Nefa anio no famantarana Fa Ianao mbola mitantana! ❤️ Tsy hitahita akory dia injay fa telopolo Ny taona voarindra, Tompo o, Misaotra indrindra. ? ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/raketo-am-po
Raketo am-po
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Raketo am-po Reko tamin'ny resaka nentin-drivotra omaly hoe: lasa nanambady hono ianao. Nandingana vohitra maromaro, niampita lohasaha, Any no manorina fiainam-baovao... tsy misy ahy. Nangina aloha aho, raha vantany vao nahare io resaka io, Tsy mety mino mihitsy ny saiko hoe: tena lasa tokoa ianao. Iny aho fa na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/mbola-afaka-miova
Mbola Afaka Miova
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Mbola Afaka Miova Eny, nisy lolom-po nandoro tao am-poko, Nisy fankahalana tsy navela ho bongo. Fa ny foko tsy vato, tsy voafatotra ho toy ny hazo, Afaka miova sy mianatra, tsy ho very an-kizo. Eny, nisy teny mafy nataoko toy ny lefona, Nisy fanozonana nataoko teny feno herisetra. Fa androany dia fantatro fa dis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandanny-fo/ny-fiainako
NY FIAINAKO
mandan'ny fo
Ny fiainako ve? toa sembandrahona mamirifiry toa anaty aizina tsy misy azavana Ny fiainako ve? toy ny masoandro tsy hita firy toa ririnina nilaozan'afanana Ny fiainako?adintsaina, sentosento lava feno akivina sy alahelo arahina tomany Ny fiainako toa fiainana ranomason-jaza? tia lotra aho ka hasa raha misy toa a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/tsenanasabotsy-fo-may-fanahy-tsy-rava
Tsenan’Asabotsy: Fo May, Fanahy Tsy Rava
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Tsenan’Asabotsy: Fo May, Fanahy Tsy Rava Akory ny fieritreritro, angamba nofy irery, Tsenan’Asabotsy may, tsy hay tohaina intsony, Toerana malaza, rivotra feno hery, Ankehitriny alahelo, no miboiboika anaty fon’ny olona. Ny tanàna Antsirabe, fo sy herin’ny tany, Tsenan’ny mpiara-monina, fandresena isan’andro, Ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/tsena-asabotsy-antsirabe
Tsena Asabotsy Antsirabe
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Tsena Asabotsy Antsirabe Ny andron’ny Bac 22 Jolay, No vaovao nitranga antsena Asabotsy, Nirehatra sy kila ary may, Zay tsy nampino fa toa nanofy. Ilay tsena anisan’ny ngeza indrindra, Eto Madagasikara sy anivon’i Afrika, Tsena milamina ary mirindra, Nefa dia potika tsy nisy fika. Tsena anisan’ny mampiavaka, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/tsy-nampoizina
Tsy Nampoizina
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Tsy Nampoizina Teny anaty zaridaina No nanirian’ny fony faniriana, Nifidy ilay voninkazo hafakely Nanaitra saina, tsy malemy, tsy malazo, tsy mahaleo tena, Dia narafitra ho fanomezana Hampitondra hafatra sy hafanana. Ny ranon’ando teny am-borona No nanasa ireo ravin-kolokolo, Ny masoandro nibanjina ny lanitra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/tsy-ho-tafita-mihitsy
TSY HO TAFITA MIHITSY
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
TSY HO TAFITA MIHITSY Raha lolom-po no entinao miaina, Raha hasosorana no mibahana ao an-tsaina, Tandremo fa toy ny afo miredareda, Izany no hanimba, tsy hanasoa na dia kely aza. Raha ozona no tononkiranao isan’andro, Raha fiteny manindrona no ataonao angady sy harato, Dia tadidio hatrany anaty aingam-panahy, T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/hivavaka-ho-anao
HIVAVAKA HO ANAO
Bob Ramanamiravaka
Maro ireo rindrina misakana Ny fonao tsy mba hanana Ny fitempo misento miadankadana Izany no mba hany fiadanana Ka ravao aloha izay mety Ary aza mba miady irery Sanatria, tsy hoe olona very F'ilay Avo no hanandratra anao vetivety Izao moa tsy hoe lavorary Nefa mino an'ilay Nahary Hivavaka ho anao aho, minoa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-fandalovanao
Ny fandalovanao
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Toa maso indray mikimpy, Ampaha-potoana monja tsy misy ho tantaraina; Dia indro niova ho tsiky Ilay sento tany anaty, miharo ireo taraina, Toa sarotra hazavaina Nefa, ho lazaiko anao o? Ny fandalovanao, Tsy haiko ianao raha honina, Fa ny fantatro dia izao : Hitsikiako anio fa ''nisy teto ianao ''. Tsy haiko h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/indro-aho-very-tanteraka
Indro aho very tanteraka
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Indro aho very tanteraka Indro aho very tanteraka ry foko tsy tafarina, Ilay fitia natolotro, navadika ho fanaratsiana. Nantenaina ho andry, ho hazo itokiana, Kanjo tonga rivotra, nandrava sy nanapaka fihavanana. Nangataka fitiavana, niandrandra fanajana, Kanjo fiteny mangidy sy tsiky an-kolaka no navadika ho val...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sahirana
SAHIRANA
Fredy Jaofera
SAHIRANA Sahirana aho miaina ny alahelo anao, na misy ny maraina mibaby hery vao. Sahirana aho mitady tsiky tsy zoviana fa ny zava-mianjady, sento tsy nirina ! Sahirana aho mivoy tsiaro lalandava fa be dia be tsy foy, na efa nisy rava. Sahirana aho mikalo antsika eny ihany ka satry kely handalo no ilain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/aza-maika-ny-mitia
AZA MAIKA NY MITIA
AORN
Aza maika ny mitia raha tsy hahazaka ny "tsy tiana" fa hafahafa ny fitia ka ndrao hanenina aoriana fa izay raisina ho "malala" Mety tia anao tokoa fa ny fo adaladala tsy hampandinika ny loha saingy mierina ny volana indro ianao apetrapetrany eo no hanomboka ny olana hay lay "tia" ka misy fetrany Aza maika n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/tiako-loatra
TIAKO LOATRA
DADAFARAtolotra
Mba hiloloavy siny,dia mba hanatero rano fa mangetaheta loatra Te-hiaina fahasambarana mba mahita paradisa toy ny fiainana any ankoatra Efa andro vitsivitsy,volana tsy tambo hisaina no nihaonatsika farany Izay tsy nandroso akory,fa navela hiazoazo teo anivom-baravarany Mba hivingitanao sakafo,fa tena noana fihadana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/ny-any-aminao
Ny any aminao
Randja
Ny any aminao angamba, tsy hisy ranomaso hiserana tsy eo koa ny alahelo hanamaloka, hampitanondrika fa ny hafaliana, ny hasambarana no manjaka tsy ferana mahery ianao, matanjaka tokoa fa toa tsy milofika Ny any aminao angamba, toa fahombiazana foana no tazako eny tontosa avokoa izay rehetra natao, tanteraka ny fan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mila-manamafy-fo
MILA MANAMAFY FO
AORN
Mama, Aty am-pamitana sazy aho no nahare fa lasa ianao tsy nisy filazana akory, nanambara ity vaovao fa ny tena nahakivy, sy nampalahelo koa reo tena havanao akaiky, be no tsy nivaky loha dia natao malakilaky hatramy fomba nandevenana raha ny satriny aza moa, izao fahoriana izao nafenina Menatr'olona izy angamba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/base-toliara
BASE TOLIARA SY FOKO MASIKORO
AORN
Avy ao atsimo andrefan' i Madagasikara, dia misy foko iray tsy mihemotra na tara... tsy mety ahozongozon' ny rivo-pivoarana tsy laitran-tambitamby tsy azo ifanarahana... Ny tetika sy paika natao mba hanekeny zay noterena maika Niampy rahon-teny: toa tsy nasiany sira toa avy dia nolaviny satria manivaiva ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/fahoriana-tsy-manam-paharoa
Fahoriana tsy manam-paharoa
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Miakatra hatrany ny vidim-piainana, Mofo sy sakafo, tsy ampy fanampiana, Ny vola miditra, tsy mahavita fiainana, Harerahana feno, tsy hita ny fialana. Olona mifofotra, mitady fanafana, Mitolona tsy misy hery, saingy sahirana, Fahoriana tsy manam-paharoa, faniriana, Tsy misy fitaovana, tsy misy fanafody na fialan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/aty-alavitra-aho
ATY ALAVITRA AHO
AORN
Aty alavitra aho No mahatsiaro anao Ry nosy tena mamiko Ry lova tsy nindramiko… Dia lasalasa saina Toa tsy mahazo aina Satria tsy toy izao Lay nahalalana anao F’ianao lay nosy miavaka Toa kanto sy miravak’ ireo maintso sy reo voahangy ‘Reo biby tia misangy Reo rano mikoriana Zay soa sy mahasondriana Kanef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/samy-tena-tia
SAMY TENA TIA
AORN
Mba hafa tena hafa lay zazavavy izay nandalo sy niserana no sady niolomay ny endriny toa maloka tarehy mivoa-dinitra ny saina tsy milamina ny masony toa vinitra... rehefa nanantonako tsy avy dia nitsoaka fa kaodikaody fihetsika no sady te hitroatra... dia indro fa nibanjina nandinika maharitra Angamba nam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsaroanny-saina
TSAROAN'NY SAINA
Fredy Jaofera
TSAROAN'NY SAINA Tsaroan'ny saina ny zava-nandreraka tsy mora nolanjaina sy nahory tanteraka. Tsaroan'ny saina ny ady nampalahelo mbola nampangaina tamin'izay fa dia helo. Tsaroan'ny saina ny korontana marina tsy nahay nampiaina ny rindra vao niarina. Tsaroan'ny saina ny fandravana maro nisy ka nahamaina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/i-neny-sasa-miandry
I NENY SASA-MIANDRY
AORN
Rafaralahy o! aiza ianao fa sasa-miandry reninao Malahelo mitoreo ary tsy andrenesam-peo raisiny tam-po daholo reo tranga nisy manontolo ianao sy dada nifamaly satria tsy satrinao hijaly lay reny miaritry ny mafy zay maty vono nefa miafy ka nandefitra eny foana tamin'ny ora sy fotoana efa maromaro izao Raf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ho-jiro-manazava
Ho Jiro manazava
Nosy Malala
Ho jiro manazava, Tezitra ianao nahita olon-tsy fantatra, Nihira an-tsary, toa tsy tonga-lafatra, Kinga ery ianao, namaly avy hatrany, Nitsara, nihomehy ary nanambany. Iny indray enao fa nahita tanora, Namaly diso nefa, fanontaniana mora, Dia nisekoseko nametraka tsikera : Teny toa mandratra, toa hampianjera. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/reo-noana-sy-voasesika
'REO NOANA SY VOASESIKA
AORN
Rahoviana vao hitsangana Sa andrasana ho mangana ty vatanao torovana sy miha-fadiranovana Rahoviana vao hatsapa fa efa lalim-paka zao fahantrana izao izay mbola iainanao Rahoviana vao hifoha Sy ho tonga saina koa ity satanao voahitsaka kanefa ianao mifitsaka Rahoviana ny ho sahy Ho tena lehilahy Tsy hatah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/tadidinny-fanahy-feonny-tolona
“Tadidin’ny Fanahy: Feon’ny Tolona”
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Tadidin’ny fanahy ny ora mavesatra, namandrika ny fo sy nitondra vesatra. Tadidin’ny fanahy ny tolona nangidy, nampandriaka ranomaso toy ny didy tsy fidy. Tadidin’ny fanahy ny savorovoro mafy, nandrava ny nofy sy nandratra safidy. Tadidin’ny fanahy ny korontana saro-toko, namela fery mangina sy làlana ve...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rlchrystien/mitaraina-i-gasikara
Mitaraina I Gasikara
RLChrystien
Mitaraina I Gasikara✍️?? Fa mba nindrana ny peniny Tsy Poeta ihany koa aho, Fa mba misalotra ny teniny Tsy faratampom-pahalalana Na taniketsam-pahendrena, Fa malagasy ray sy reny aho, No sady gasy firenena. Malagasy rano handroan' aho, Malagasy fo sy saina, Ary mora malahelo, Raha mandre, ireo taraina. Mita...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rlchrystien/tsy-natao-ho-anjara
Tsy natao ho anjara,..
RLChrystien
Tsy natao ho anjara,.. Efa madiva hilentika eny am-paravodilanitra, ilay masoandro mody Efa mifanjevo sy misomebiseby, ny vahoakan’ Irivo hamonjy ny fodiana Efa manomboka mirenty, ireo jiro maro loko izay haingon’ ny tananà Efa mitandavana manenika ny lalana, mameno lalambe ny fitohanan’ ny fiara. Dia …, izaho, M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-foiko
TSY FOIKO
Fredy Jaofera
TSY FOIKO Tsy foiko ny hamela izay tantara sisa anio no saina hatry ny ela nampitsiky, tadidio ! Tsy foiko ny handrava izay vita tsangambato fa porofo be mazava tsaroana tato ho ato. Tsy foiko ny handoro ny soratra mipetraka fa harena mampijoro tomefy hetraketraka. Tsy foiko ny hamono ilay fitia efa nahit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rlchrystien/mahaleotena-ve-isika
Mahaleotena ve isika?
RLChrystien
Mahaleotena ve isika? Moa tokoa ve tena marina, Mahaleotena ve isika? Sa an'olona nindramina Ka rehefa ilainy d'efa tsita Toa tsy mampino nefa misy Hoe izao dia malagasy monina eto Gasikara Fa ny "Patron" ko eto tsy mba Gasy fa karana Ka raha sendra miditra amin'orinasa iray, Dia misalasala sy toa mangasihasy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rlchrystien/satria-ve-izaho
Satria ve izaho… ?
RLChrystien
Satria ve izaho… ? Satria ve izaho tambanivohitra, zanak’olona sahirana ? Tsy ampy fahalalana, dia noheverinao fa bado, Satria ve izaho tsotsotra ? Dia sahinao nandosirana, Noratrainao ny foko, rehefa hitanao fa babo, Satria ve izaho…, tsy mba bandy be lamaody ? tsy amin’ ilay tadiavinao, Tsy mba irony manam-bola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/toa-teny-fitaka
TOA TENY FITAKA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
...TOA TENY FITAKA ireo teny roa heverina ho mamy mitandrema ihany fa fitaka izany tsy lafatra ireny fa teny nomeny, hambaboana ny fo mahababo tokoa langolango malefaka no mody kaloiny tandremo ireny fa tsy avy amin'ny fony tsy latsaka anaty tahaka ny tsoka raha roboka ianao dia lanin'ny moka fampanantenàna ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rlchrystien/tantara-fahazaza
Tantara fahazaza,
RLChrystien
Tantara fahazaza, Tantara fahazaza nefa tsy haiko ho adinoina fa, … Reko toa mandoro, to’afo tsy hay vonoina Ilay niaretak’hirifiry niezaka namikitra, Nitana ho ahy irery, ilay tsiambaratelom-poko Saingy …, n’ela tao, dia …, Nitombo toy ny rano, ka tsy haiko nofefena Fa namaky fefiloha, nibororaka tsy tana, La...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lazao
LAZAO
Fredy Jaofera
LAZAO Aza lazaina amin'ny vava fa lazao amin'ny asa rehefa misy fitiavana no hafatra iray lalandava mbola indro mikasa fitoniana te hihavana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rlchrystien/embona-sy-fahatsiarovana
Embona sy fahatsiarovana,..
RLChrystien
Embona sy fahatsiarovana,.. Any ilay tananà nilatsahan’ ny tavoniko izay tsy haiko ho adinoina Any ireo malalako tsy manam-paharoa izay tsy azoko soloina Manina azy aho zany fa toa tsampoko efa ela aho izay tsy tany zay Ny embona sy tsiahy no hany mba fitaovana fifandraisanay Tsampako ho manonja rehefa injay miser...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/tandremo
TANDREMO
Np Augustin
Eny eh!... Any aminao ny hatsarana no mitoetra, Toa tara avokoa 'zay lalovanao rehetra. Bika sy tarehy tena lafatra tokoa: Mampitsiry hetaheta sy ventsoventsom-po: Fa ny hany akia mba teniko, Soratàko amin'ny peniko. Dia aza mba maditra mifampitolotolona; Manadaladala ny efa vadin'olona! Na dia tambazàny ianao....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/fitiavanny-poeta
FITIAVAN'NY POETA
Np Augustin
Toheriko ianao... Toheriko hatrany, Satria ny poeta tsy mpampirafy izany! Diso tena diso... Diso ianao akia; Ny poeta anie ka tena befitia. Mitia olona iray fa tsy sanatria ho roa, Izy ireny mantsy dia tena tokam-po. Ny malàlàny tsaroany... Anoratàny tsy an-kianto; Omeny anaram-bositra "Meva" na hoe "Kanto"! Il...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/vetso
VETSO
Np Augustin
Neny ah! Aza dia mitomany manao toy izao, Fa i Dada anie efa tsy tia anao! Nitsoaka adidy... Lasa dia nandao; Nanorina tokantrano vaovao. Ka etsy moa ry Neny ah! Iangaviako ianao ho tony... Raha Dada 'zany tsy hiverina intsony. Ny ho avy jerena... Avalonÿ ny efa vita, Hadinoy izy fa nampijaly antsika! Inoàko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/dipaina
"DIPAINA"
Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Ny laoka tena tiany no nataon'i neny nahandro hoan'i dada fa fetiny hono androany, Nibitaka aok'izany ny zandriko ankiroa fa hoe hamono akoho hiaraka amin'i dada,nihira sy nirada! Nivoaka aho dia nijery,nilalao jorery niandry ny hiravan'i dada avy niasa, Dila ihany ny ora,nody ny masoandro ka lasa aho aloha nisasa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/tara-lava
TARA LAVA
Np Augustin
Ramose ah! Aza kapohina aho fa mba maharary, Jereo ny masoko fa mila hitomany. Miaritra ny ratra ary koa ny fery: Tsy fantatrao hoe: "izaho kamboty irery". Tsy eo intsony na i Dada na i Mama; Ka voatery aho handeha hikarama... Vao mangiran-dratsy dia efa miala ao an-trano, Iny izaho lasa mandeha mantsaka rano! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/namana-taloha
NAMANA TALOHA
Np Augustin
Tamin'ny mbola kely toa tsaroako erÿ; Isika roa tena nifankatia! Mpinamana eny foana: Ora sy fotoana... Nifandray hatrany, Niara-nilalao teo an-tokontany. Dia niredona izay tsy izy... Eh!... Fony mbola ankizy! Kanefa izao isika efa samy lehibe; Ianao koa toa lasa niova be. Zary lasa kaodikaody: Nanaraka lama...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/zaza
ZAZA
Np Augustin
Any ho any misy ankizy; Sambatra izay tsy izy. Hamonjy lakilasy, Dia omena vatsy. Saingy tia tory... Tsy mianatra akory ! Tsy manao enti-mody, Ny naoty dia atody. Indraindray, Mody miera hoe "hivoaka", Ka iny lasa mandeha misotro toaka! Fa aleony miala voly; Toy izay mandeha sekoly! Nefa any misy zaza ten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/mariazy
MARIAZY
Np Augustin
Malala ah... Ny mariazintsika rehefa any afara, Tsy asiana aingitraingitra... Tsy atao be kafara. Tsy toin'ny an'ireo olona asaramanitra sy fety; Fa tsotsotra akia dia efa mety! Raha fitafiana indray tsy atao manahirana, 'Lay lobaka efa tonta no sasaina mba hangirana. Harato fandambàna no indro solom-boàly: Ets...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/kalokalo-miampita
KALOKALO MIAMPITA
Np Augustin
Afo miredàredà tsy mba mety ho faty, Mitoetra irery... Mifikitra ao anaty. Ny andro miràmiràna; Ny fo mangiragiràna. Hafaliana tsy ihodivirana... Mbamin'ny kalokalo, No ventsoko mangina rehefa ianao mandalo! 'Lay vatanao rehetra tsy misy tsy voajery; Ny lalanao mandeha efa laniko tsianjery. Diavolana ny saina, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/rehefa-manambady
REHEFA MANAMBADY
Np Augustin
Rehefa any aoriana... Rehefa manambady, Dia fadio lesy ny mamono vady. Hajao tsara... Anehoy fahendrena; Aza vonoina izy fa mahonena! Ny zavatra atao mba asio vinàvinà, F'ireny anie tsy hamaly n'oviana n'oviana. Na dia ho tratran'ny vono mahery: Dia efiàny manokana ho azy irery! Ny fampirafesana koa tena fadio;...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/lamba-mijaly
LAMBA MIJALY
Np Augustin
Eo am-pandriana misy zavatra adino, Tongavà mijery raha toa ka tsy mino. Lamba vasoka sy efa rotà: Ela niatezana ka efa tonta! Dia mipetrà-potsiny tsisy mpanao... Ny tompony mantsy nahazo vaovao. Ka dia nariàny tsy nampiasainy; Nohadinoiny fa efa tranainy! Jereo izato izy fa mampalahelo... Feno faroratra sy ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/manaloka
Manaloka
DADAFARAtolotra
Mafaitra tsiro toa tangena, avy eo mangidy noho ny vahona Tsy mba hoe somambisamby, toa diavolan-tsemban-drahona Fa dia andro maizin-kitroka, tsy ahafahana mijery Ny lasantsika roa hatreto, mbola misy takom-pery Tsy mety sitrana mihitsy ! Lavitra tsy takatr'antso, lalina tsy taka-drefy Efa niezaka nanakana, fa ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/ray
RAY
Np Augustin
Arahaba ho an'ireo Dada voafatotry ny onja, Mahatsapà fijaliana... Mitoetra ao am-ponja. Tsy navela heloka na nohenoina fifonana... Mitokana irery fa tsy anilàn'ny ankohonana! Eny na dia misy aza anie izany, Dia tsaroako ianao... Tsaroako hatrany. Fetinao anio... Ka dia arahabaina: Tiako ho'aho i Dada... Hoy 'la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/sangisangim-pitia
SANGISANGIM-PITIA
Np Augustin
Raha mba izaho akia no Hery vaovao, Filoham-pirenena amin'izao andro izao. Dia ianao nataoko hoe "Voahangy" : Vady an-defimandry! Miaraka eny foana... Na ora na fotoana. Tena ampiadaniko, tsy avelako hitsitsy; Ampanjairiko ho anao itsy mananasy itsy! Raha mba izaho indray akia no Ravalo: Dia hilamina ny tany ,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/ankamantatra-tomany
ANKAMANTATRA TOMANY
Np Augustin
Malala ah! Saika mba hanontany, Hoe: "inona ary izany" ? Ny masoko mijery toa manganohano: Mitomany irery, jereo fa misy rano. Kotsa tena lena... Nefa izaho tsy mahonena! Tsy malahelo akory, Tsy manan-javatra mahaory: Hendry be ianao, tsy mba mampirafy, Mampidim-bola, tena miasa mafy! Nefa ny ranomasoko dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/ny-farmasianina
NY FARMASIANINA
Np Augustin
Raha fanafody no indro lazaina, Dia Farmasianina no tonga ao an-tsaina: Hainy daholo na fanamboarana na fampiasana, Izany ka olon' ny fahasalamana. Izy no miantoka ny kalitao, An' ireo fanafody vidianao: Tandremany tsara tsy ataony vazivazy... Anaty farmasia no ahitan' azy. Koa aza misalasala rehefa tonga ao, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/ireo-ray-aman-dreny
IREO RAY AMAN-DRENY
Np Augustin
I Dada sy Neny mifankatia tsara, Ianao 'lay nateràny ho dimby sy fara. Tsy voafafa ao an-tsainy; Fa silaky ny ainy! Miainga maraina mandeha mikarama... Sedrainy avokoa na lalà-malama. Na dia marary dia lasa ihany... Fitiavan-janaka no anton'izany! Ary ho avy ny andro ianao hanambady: Tanora matotra ,mahay mita...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/ianao-no-tiany
IANAO NO TIANY
Np Augustin
Tsy omeko tsiny, Raha toa ianao no tiany, Fa tsy izaho velively; Mantsy ialahy jejojejo kely : Tsara fitafiana , Manaitra, mahavariana; Toa taratra masoandro... Fa tsy toa ahy malotoloto akanjo. Dia tsy omeko tsiny, Raha toa ialahy " tsôdainy " , Satria ialahy mifanaraka amin'ny sainy : Zanaky ny mpanana, za...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/torohevitra
TOROHEVITRA
Np Augustin
Raha toa ianao nitory 'lay fitia tanatinao, Tsy mba nisangisangy ka tena nitalao. Nanazava tsara ; niezaka niteny.. Indrisy anefa tsy noekeny... Ka izao ny torohevitra mba lazaiko: Fitia ho anao ry sombin'ny aiko... Aza misisika aminy, Manohy any an-taniny. Fadio ny tsiaro ary ny tsiahy ; Sao mantsy ianao dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/mampiaraka
MAMPIARAKA
Np Augustin
Rehefa ianareo no mifandrotsirotsy, Handeha hampiaraka satria Sabotsy, Ka tena fifaliana, Anilan'ny olon-tiana. Dia izao no mba lazaiko; Aminao ry sombin'ny aiko: Mason'andro anio, manomboka izao: Mba ovay indray ny zavatra fanao. Rehefa noananoana, leon'ny safosafo; Ka te mba hisakafo. Dia izatsy fihinanana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/sarindra
SARINDRA
Np Augustin
Voalohany nahitako anao dia teny Isotry , Nividy tatinono sy silipo fotsifotsy . Niady varotra ela be ianao tamin' izay ; Hoe: " mba ataovy dimanjato ny anankiray ! " Ilay mpivarotra anefa tsy nanaiky mihitsy koa , Roa arivo hoy izy raha hoalainao izy roa. Nefa angamba ny volanao tsy ampy an'izany , Dia naleonao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/ny-tena-fahoriako
NY TENA FAHORIAKO
Np Augustin
Tsy noho izaho very silam-panahy, No mampitomany ahy. Fa noho ianao ry neny, fa noho ianao ry dada! Ianareo mitabataba, Mifanao taim-bava, Ka sady miady lava; No mahatonga ahy hitoloko: Satria malahelo be ny foko. Mijery anareo mifanaotao... Mifamono toy izao ! Ka etsy holazaiko, Ny mamparary ny aiko, Sy ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/teto-anilako
TETO ANILAKO
Np Augustin
Ianao nampijaliany, Tsy mba norarahiany. Nomeny fahoriana, Nefa olon-tiana... Nitomany ianao, Isan'andro lava izao, Amin'ny ditra izay fanaony, Sy ny zavatra nataony! Nijaly be indry, Nefa retsy aky, Teto nisy fo, Nandray an-tanan-droa, Ny fonao maratra, Niletika ao an-tratra. Sady vonona hametra: Ny jal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/isika-roa
ISIKA ROA
Np Augustin
Tsy nitabataba aho fa niezaka nangina, Fony ianao mbola nanan' olon-tiana. Ka na dia babonao aza aho tamin' ireny ; Dia naleoko nandefitra : tsy hiteniteny, Tsy hiresadresaka fitiavana izany , Fa mba hotazomiko, hokomboniko eny ihany... Taty aoriana anefa nandeha ny fotoana. Tsy haiko hoe " nahoana " Fa nisara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/rehefa-mamo
REHEFA MAMO
Np Augustin
Malala ah, Rehefa ianao no mamo, Dia akorontanao ny trano; Hevoinao tsy an-kijanona... Nefa izaho ange mba vizaka nandamina! Dia rehefa ianao koa, No mamo dia mandoa; Any amin'ny efitrano samihafa... Nefa izaho ange mba reraka namafa! Ary rehefa mamo ianao, Dia lasa sahisahy, Mamonovono ahy, Ka mamolaka ny ...