url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/tiana
TIANA
Np Augustin
Enga anie ry Tompo , Mba ho sambatra ny foko ; Tsy hitomany na iray , Fa mba ho finaritra amin' izay. Ka hiaina am-pifaliana , Eo anilan' i Tiana. Dia enga anie ry Tompo, Mba ho tanteraka ilay nofiko omaly : Hoe : ny fitiavanay sy Tiana lasa nifamaly, Sady tsara tefy erÿ, Izahay roa toa tena nifankatia. Mifo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/rehefa-lasa
REHEFA LASA
Np Augustin
Rehefa tonga ity andro anankiray , Handehananao any amin'ny mandrakizay ; Dia hisy fiovana hiseho sy hitoetra : Ho tia anao ny olon-drehetra . Na ireo mpanaraby na ireo nanao ratsy , Dia tonga hiara-tory , hiandry faty. Eny hatramin' ilay vehivavy nokôtiana, Tsy mba nanaiky na dia niangaviana ; Dia ho tonga han...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/felana
FELANA
Np Augustin
Eto ianao kaloiko, Ry felana tsy foiko, Fototry ny hasambarako; Ilay tokana mba namako, Rehefa sendra alina: Mangina sy milamina. Fa mantsy ianao, Tsy mba nandao, Fa teo foanafoana; Ora sy fotoana. Ary manambitamby erÿ, Rehefa iny izaho nolavina fitia. Ka noho izany zava-bitanao izany, Dia indro omeko izat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/lasa-adala
LASA ADALA
Np Augustin
LASA ADALA Mampalahelo ity namako ity , Fa lasa adala : voadonam-pitia , Ny zava-drehetra tsy misy tsaroany : Na ny anarako tsy fantany intsony . Dia tsy vitan' izany, Fa rehefa mafana iny ny andro ; Dia avy izy manala akanjo , Miboridana eny an-dalam-be , Ka dia dia hitam-bahoaka ilay " ady klé " . Tsy fidin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/mampionon-tena
MAMPIONON-TENA
Np Augustin
Ry masoko mahatazana rehefa zava-misy; Iangaviako ianao, mba mikipià mihitsy! Aza mijerijery, aza midiridiry: Ndrao tsy ho zakanao ny hahita ny olon-tiany. Dia ô ry sofiko mandre! Maheno rehefa feo, Aza hainoana akory ny resak'izy ireo. Ndrao tsy ho zakanao ka ho loza avy eo! Ary ianao ry foko izay mangina, No...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/tsy-ho-menatra
TSY HO MENATRA
Np Augustin
Tsy ho menatra aho hamindra, Amin'ity kiraro simba: Efa feno lavadavaka. Rehefa avy eo mivavaka. Tsy ho menatra aho hanao; An'ireto akanjo feno lao: Lobaka efa tonta , Pataloha rota. Notsiponiko omaly ! Tsy ho menatra aho satria, Ireo no misy aty, Ka anaovako amin'ny foko: Mba hitsenako an'ilay Tompo! Tami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/zarako-aza
ZARAKO AZA
Np Augustin
Zarako aza ianao, Misangy toy izao. Manadala izato saiko; Dia mamikitra ny aiko: Amin'ity tananao ity, Dia mba ohatran'ny hoe isika no mpifankatia! Dia zarako ihany, Izaho mitomany; Malahelo sy misento: Amin'izay ianao mba eto anilako eto. Mampahery ahy amin'izany fahoriako: Ka ohatran'ny hoe : ianao no mba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/mino-aho
MINO AHO
Np Augustin
Tsy kivy aho fa manantena hatrany , Hoe mbola hifankatia isika indray andro any . Any volana ,any taona hifoha ny fifaliako : Ka ianao amin'izay no ho lasa olon-tiako. Ary hofihininao ity tanàko ity , Eh! Dia tena ho faly erÿ.... Ianao manao izay hahasambatra ahy , Ka hibitsika mangina hoe : "tiako lesy ialahy"....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/domoina
DOMOINA
Np Augustin
Raha sendra ianao mangaina, Tsy dia milamin-tsaina, Dia ny anarany antsoina : " Domoina ô , Domoina ; Mba tongavà aty ! " Fa izy ange leretsy sariaka tsara erÿ. Sady feno fitsikiana toan' ireny ankizy . Eny na dia manja aza izy , Dia tsy miavonavona na manavakavaka . Hita mihitsy hoe: " olona mpivavaka " Na e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/tsy-avela
TSY AVELA
Np Augustin
Aza tezitra ry zanako, Fa matoa ianao sakanako; Tsy handehandeha: Amin'izato alim-be. Dia misy antony ao, Tsy mbola takatrao. Fa ny hany tsinjonao, Dia ilay fety be mafana, Miaraka amin'ireo akama. Hitsena an'ilay taona... Nefa retsy aky, Maro ny olon-dratsy amin'izao fotoana. Ka tena mialatsiny, Fa tsy ti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/ny-tena-fitiavana
NY TENA FITIAVANA
Np Augustin
Ny fitiavana leroa, Dia vokatry ny fo. Mitempo isan'andro, Ka toa volana, masoandro; Mibaliaka sy mazava: Manarona ny tava. Ary tsy mijery izay kilema, Fa mifono fahendrena, Ny momba azy manontolo; Satria ny fitiavana, Tsy mijery lokom-bolo. Tamin'ny 08 ora maraina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/vavaka
VAVAKA
Np Augustin
Ilay olon-tiako fahiny ry Tompo, Aza avela hijaly na hitoloko. Fa tsimbino ny ainy; Omeo 'zay ilainy. Fa izaho tsy ho faly, Raha toa izy mijaly, Na koa maditra ilay tiany vaovao: Ka vetivety dia lasa handao. Ka eo moa ry Ray mpahary ny tany; Arovy ny fony ho mirana hatrany. Ary ny farany dia: Inty ny vavaka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/izaho-sy-ny-mpanabe
IZAHO SY NY MPANABE
Np Augustin
Madama ah! Moa ve fahotana ny mamboraka fitia? Eny angamba sanatria, Fa tsy hadisoana mantsy, Na koa toetra ratsy: Ny miteny zava-tsoa; Ka milaza ny ao am-po. Amin'ny fanetren-tena sy talao; Manambara hoe: "tiako be ianao!" Ekeko anie madama fa efa manam-tompo, Na eo izany anefa dia babonao ny foko! Satria r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/zanaky-ny-lalan
ZANAKY NY LALANA
Np Augustin
Izaho 'lay zanaky ny lalàna , Tsy mba manana hoenti-manàna ; Hiatrehena ny fiainana , Tsy misy ray sy reny afaka hitarainana : Ka jerena ivelany toa maloto akanjo... Izaho no mitady ny hoaniko isan' andro. Dia mbola izaho koa, Ilay zanaky ny lalàna ; Tsy nandia fianarana , Fa mirenireny , Eny rehetra eny . K...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/manjabe-taloha
MANJABE TALOHA
Np Augustin
Tsy nampoiziko ianao, Hoe: hiova toy izao. Rehefa ela tsy dia tazana; Jereo fa lasa ngazana, Feno kentrona sy mony, Ka tsy manja kely intsony. Nefa akory ianao taloha, Ilay ampela soa: Kanto tena tsara, Izay nahita dia tara. Nefa Tantara sisa iny, Ny hatsaranao fahiny. Mantsy ny endriny dia simba, Voatond...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/gasikara-tiako
GASIKARA TIAKO
Np Augustin
Na dia haiko fa malaza, Amin'ny fahantrana aza, Ianao ry taniko; Dia mbola tena mamiko. Tiako foanafoana, Na ahoana na ahoana. Ka na dia mosarena, Amin'ny samy firenena, Ianao ry Gasikara; Dia tsy ho menatra aho hanambara, N'iza n'iza manontany : Hoe: ianao no tiako indrindra, Raha mbola eto an-tany Tamin'...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/voninkazo-monja
VONINKAZO MONJA
Np Augustin
Fony izy velon'aina : Tomady fo sy saina , Dia voninkazo kely , Tsotra toy ireny ; No mba nantenainy , Sady noadradrainy : Ho azo avy aminao . Kanefa ianao nandà , Nanjary nampahory , Tsy nanome akory . Ilay mba efa kendriny , Satria tsy tianao ny endriny . Fa nefa nony nodimandry ; Ilay izy sasa-niandry ,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/tovovavy-maodely
TOVOVAVY MAODELY
Np Augustin
Miandry vasoka eo ialahy, Raha manantena ahy: Hanokam-baravarana, Hizara fahasambarana. Ka hanala fitafiana; Hiakatra am-pandriana. Nofy anie izany! Fa esory dieny izao, Ao an-tsainao ao; Ny eritreritra miampita: Hoe: "hiasa i Balita". Tsy izaho no masiaka, Fa isika roa ange tsy mbola nohamasinina; Tsy vit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/laoka-tena-tiany
LAOKA TENA TIANY
Np Augustin
Tsaramaso tapa-tsobika , No indro hoataoko laokantsika , Somary ritiko: tsy asiako rony... Ka eo moa ry tiako, aza tezitra intsony. Fa efa ilay laoka tena tianao ; No hovidiko , hoamboariko izao . Zahao izato izy : matsiro tokoa , Inty ary ka dia mazotoa . Aza mihafahafa fa mihinanà izay lany ; Raha mbola tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/aza-esorina-aho
AZA ESORINA AHO
Np Augustin
Milamina ery ny ato an-kibon'i neny, Mahatamàna na dia teritery. Nefa injao reko misy kotabà; Azoko an-tsaina... I neny miady amin'i dada: Io zaza io... Esory tany! Dia ketraka aho nandre an'izany. I neny anefa namihana ahy no nanambara; Izaho tsy hanalà... Azonao tsara? Dia faly aho fa tia ahy lay reny malàlà....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/te_handeha-aho-fa-tsy-afaka
Te_handeha aho fa tsy afaka
RODER
Te-handeha aho fa tsy afaka e Ny lanitra manga no manintona ahy e Nefa ny tany mavesatra mbola mihazona Tsy mahazo aina fa ny foko no mitomany Te-handeha aho fa ny rojo no mamatotra Ny alahelo toa rivotra tsy mitsahatra Ny diako mikatso tsy mahita lalana Te-hivoaka aho fa mijanona anaty aloka Ny rivotra mangina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/embona
EMBONA
Np Augustin
Eto am-pandrahona saosisy sy kabaro, Izaho no mahatsiaro, Sy mahatadidy; Embona mangidy. Ka io aho mikopak' afo, Sady latsa-dranomaso, Manembona anao; Ao am-poko ao. Mantsy, Raha mba sahiko izao, Ny nilaza taminao; Hoe:" Izaho anie ka tia. " Dia ohatr'izay isika mba efa niara-dia. Saingy, Feno henatra ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/tsy-mba-tara
TSY MBA TARA
Np Augustin
Sahoby no anarako, Eny Ankatso no ianarako. Alavidavitra tokoa; Raha miainga eto Ampefiloha. Kanefa izaho tsy mba tara, Fa tonga soa aman-tsara, Manaja izay fotoana: Isan'andro, isan-taona. Mantsy aho rehefa maka taksibe, Tsy mila miandry ela be, Fa vao tonga dia mandeha, Na amin'ny ora fandehanako Na amin'...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/tolokonny-fitiavana
TOLOKON'NY FITIAVANA
Np Augustin
Ianao ve efa tratran'ilay mitia mangina ? Ilay minia tsy miteny nefa manam-paniriana; Ny mba horaisiny ho malàlàny, Saingy izy anefa efa manana ny anjarany. Efa olon-kafa no manjaka anaty fony, Ka mazava ho azy fa tsy hitia hafa intsony. Ary ianao ve efa tratran'ny fitaka sy lainga? Ilay mody omeny toky mba tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/neny
NENY
Np Augustin
Ny ahy ny reniko, tsy ampijaliana, Fa ampiadanina sy ampifaliana : Angolangolaina amin'ny fihetsika tony, Mantsy raha kotabaina, maharary ny fony. Dia ny anatra omeny, Tsy avelako ho very, Fa tadidiako sy mbola tsaroako; Satria izy ilay reny tsy foiko : Mpanoro làlana sy mpanazava, Mpitsimbina ny aiko lalandav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/tononkaloni-tompo
TONONKALON'I TOMPO
Np Augustin
Matoa izaho teraka, tonga teto an-tany, Dia tsy noho inona izany : Fa mba tiako ianao tsy ho azom-pahotana; Ho voarebireby amin'ny asan'ny satana. Ary matoa izaho niaritra, Ny jaly izay naharitra, Nampisento, nampahory; Dia tsy noho inona akory..... Fa ny tena tia dia mahafoy ny ainy, Hamonjy ny sakaizany no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/na-dia-mpanota
NA DIA MPANOTA
Np Augustin
Ianao na mpanota ohatry ny ahoana, Dia mbola tian' Andriamanitra foana; Omeny fitiavana, famindram-po... Raisiny am-pifaliana sy an-tanan-droa. Satria ianao, Dia toan' ilay zaza mpandany, Ilay naka ny lovàny mba hilibàny... Kanefa avy eo niverina nody, Ka nanaovana fety, namonoana ondry; Mantsy faly ny Ray , ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/vehivavy-miasa
VEHIVAVY MIASA
Np Augustin
Asehoy azy fa vehivavy miasa ianao , Manam-pikirizina amin'izay rehetra atao . N' iza n'iza hanorotoro , Dia mbola tafajoro . Ary tsy miandry hotolorana sy homena : Fa vehivavy miasa , mahavelon-tena . Avelao ho gaga ireo izay miteny , Hoe: " ny vehivavy dia fanaka malemy ; Tsy afaky ny hamindra , Sy tena osa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/teny-behoririka
TENY BEHORIRIKA
Np Augustin
Omaly atoandro teo, No iny izaho zareo, Niditra tanaty tranom-barotra; Ka tao aho no nahatsikaritra, Zavatra hafa mihitsy: Fa itsy alavitra itsy: Misy tovovavy, Tsy haiko hoe: nahoana, Fa mibanjina ahy foana. Mandinika diso tafahoatra... Angamba izy tara, fa izaho bogosy loatra. Dia teo no eo aho dia velom-p...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/ny-fiarako
NY FIARAKO
Np Augustin
NY FIARAKO Aleo moa aky , Ity fiarako ity , Mba hiditra ao ; Anatin'ny garazinao . Fa efa ela tsy nandehanana , Ka mila fanamboarana . Telo taona be izao tsy nampiasaina : Dia nanjary rakotr' ala sy tena karakaina . Tsy hita intsony izay maha-fiara azy . Ka miangavy re ! Aleo izy hiditra garazy . Mba hitsofo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/aza-gaga
AZA GAGA
Np Augustin
Aza gaga ianao fa izaho ihany ity: 'Lay tovovavy kely, niezaka nitia. Nangataka fiadanana, Naniry fahasambarana; Ny mba hotiavinao mandrakizay.... Dimy taona lasa izay. Ka moa tsaroanao tamin'iny? Izaho mba nanambitamby, Nefa notezerana sy nilàna ady. Niandrandra mba hotiavina, Nefa dia nolavina. Sy nambania...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/np-augustin/veloma-nataony
VELOMA NATAONY
Np Augustin
Aza tsiny ry tiako, Fa akaiky ny hodiako; Dia 'lay ora farany iainako eto, Ka aza tomany na koa sentosento, Fa ny fahafatesana dia lalam-piainana. Satry tokoa hiaraka foana, Hamakivaky an'iny havoana; Dia hiara-handre ny fofony manitra. Saingy, Tsy antsika ny aina fa an' Andriamanitra. Izy no manome ary izy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/rehefa-miala-ny-aiko
REHEFA MIALA NY AIKO
LAVENONA
REHEFA MIALA NY AIKO Any ialahy ry zanako...! Amin'ny fotoana...hamakian'ialahy ity dia... izao no tadidio hoe...efa niala izay ny aiko ! Hamonjy fitsaharana ny nofoko malia ka... izao sy izao ry zanako no hafatra lazaiko... Mifona letsy i Dada raha toa nitsoaka adidy a! Tinaitran-drendrarendra ka niala anaty ad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/tiavo
TIAVO
LAVENONA
TIAVO... Tsy sanatria akory hoe ny anilanao no lanitra na koa hoe paradisany sy toerana iriany ! Fa angaha ianao tompoiny sa ianao no Andriamanitra ka hifadiany hanina...ary koa hitomaniany ? Ekena ianao hoe tiany fa... dieny tsy miova ilay fitiavana ao am-pony dia mba hajao sy tiavo e!...omeo izay anjarany ! N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/fara-fitiavani-dada
FARA FITIAVAN'I DADA
LAVENONA
FARA FITIAVAN'I DADA Vita soamantsara ny resa-pandidiana... izay notontosaina tao am-pamelomana aina dia iny fa nivoaka sy efa afaka vangiana... ilay zanaka tsy foy no sady tokana lalaina ! Indro velon'aina...ny efa teo am-bava fasana Tsy foy handao ny tany ka dia...nosoloina " voa " Ny hafa efa vonona fa i Dada...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/raha-toa-ianao-toa-ahy
RAHA TOA IANAO TOA AHY
LAVENONA
RAHA TOA IANAO TIA AHY .. Raha toa ianao tia ahy... Fa sendra mba sodokan'ireo asa soratro ihany Dia aoka ho fantatrao fa be ny andrarezina any Mahay mihoatra lavitra noho ny asa vitako aza... amin'ny resa-tononkalo ! Raha toa ianao tia ahy... Satria hoe izaho tsy miavona fa tsotra sy sariaka Somary be be resak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/tefim-pitiavana
TEFIM-PITIAVANA
LAVENONA
TEFIM-PITIAVANA Maso nifanopy sy nanganohano sisa... no solon-kopatanana nanaovanay veloma ! Sentom-po maratra no mba nenti-nitanisa... ilay fitiavana niarahana tsy vatra novonoina... sy niredareda loatra ! Saingy tsy afaka aho nanoatra, tsy afaka nitana mba niezaka nitroatra ihany sady nanontany... nefa tsy na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/ilay-tena-namanao
ILAY TENA NAMANAO
LAVENONA
ILAY TENA NAMANAO Vava nifanaiky ny antsika tamin'izany hoe... na tsy tafara-dalana aza... hinamana eny foana ! niray ny ankihikely dia niara-nitomany "tsy anio no ora farany, tsy maintsy mbola hihaona!" ...hoy ny rediredintsika ! Toy ny andro nibaliaka izay namafa ranomaso... ilay feonao nibitsika sy nampahery ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/avelao-ny-helony
AVELAO NY HELONY !
LAVENONA
AVELAO NY HELONY ! Andeha atao hoe iny...no mba fotoana farany nahafahanao nihaino izay mba vetsovetsom-pony fa tapitra eo ny pejin'ny bokin'ny tantarany ka hihelina toa zavona izy tsy ho hita intsony Ho sahinao ny hilaza ve fa hoe milamin-tsaina... ka tsy hamoha ny lasa sy hanadino ny fisiany ? Hiraikitra ao an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lemady/ry-tiako
Ry Tiako,
Lemady
Na maraina tsy mbola nisasa, Na ny hariva tonga avy niasa, Eny ny alin- tsy nahita-tory, Tsy mba nilaozanao akory Teo foana ianao akaiky ahy. Ambakanao ny JIRAMA. Na iva aho na avo toerana, Dia nitoetra ianao fa tsy niserana. Nandonaka ny karakaina Nanamando indray ny maina, Tonganao isan'efitrano. Ambakanao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/vavaka-farany
VAVAKA FARANY
LAVENONA
VAVAKA FARANY Ray o ! Raha toa anio no ora... handaozako ny tany ka...ho tapitra eto ny aiko sy ny tanjako ! Dia mba hiangavy kely aho rehefa ho faty ihany hoe meteza Ianao hihaino ny vavaka hasandratro ! Hifonako ny ditrako... sy ratsy rehetra vitako , na dia hoe tara loatra... Vao hanova ny famindrako ,fiaina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/aminny-fomba-ahoana
AMIN'NY FOMBA AHOANA ?
LAVENONA
AMIN'NY FOMBA AHOANA ? Amin'ny fomba ahoana moa no haneken'ny sainy fa...omaly no ora farany hahitany ny olotiany ? Mety hanao ahoana koa raha sanatria ka hainy hoe... nindaosim-pahafatesana maraina tamin'ny dimy... ilay tokana tsy foiny ? Tsy namana intsony...ilay nanaovany voady hoe... "Aina ao atao fetra ny am...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/avelao-aho-hiantso-anao-hoe
Avelao aho hiantso anao hoe...
Randja
Avelao aho hiantso anao hoe malala f'izay no mampitony ny foko, f'izay no masaka ao an-dohako ao faniriana efa ela ny ahy, ho tanteraka tokoa izany raha sitrakao hentanin'izato fitia feno hafanana, izay tsy mba mamanala Avelao aho hiantso anao hoe sombiniana f'efa taona maro isika no nifankazatra, ny fitiavantsika...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/ilazao-i-dada
ILAZAO I DADA
LAVENONA
ILAZAO I DADA Ilazao ry ise i dada a ! Teneno ampitoniana sy... ataovy moramora mba tsy ho ren'ny neny hoe aty Antanimora... ity zanaka naterany ! Rehefa any ise dia...i dada ihany hafarana ! Ka raha manontany i neny dia... mandeha hoe ny fianarana... ataoko aty Iarivo ! Haiko mihitsy i neny fa tsy maintsy hana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fo-tsy-vato
NY FO TSY VATO
Fredy Jaofera
NY FO TSY VATO Ny fo tsy vato raha malahelo tsy mba miato fa mahita helo. Ny fo tsy vato raha ory ange, jereo ny harato fa simbany be Ny fo tsy vato ka sento mafy no tato ho ato mbola natafy. Ny fo tsy vato ka lena maso fa nisy in-jato ny efa ankaso.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/efa-ety-an-dalana
Efa ety an-dalana
TSY RENDRIKA Spica
Eto VASAKAOSY aho amin’izao fotoana izao Efa anaty fiara fa handeha hamangy anao Mbola miandriandry fa ny fiara moa tsy feno Mampahatsiahy ny lasantsika ny hirahira heno Ao anatin’ny valiziko ao ny akanjoko herin’andro Efa nivatsy mofo koa aho ho sakafo atoandro Mampanaonao foana mihitsy anie akia ilay fitiavana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/tsy-resy-izany-ianao
TSY RESY IZANY IANAO !
LAVENONA
TSY RESY IZANY IANAO ! Dieny tsy taraiky aho dia hananatra mialoha Tsy handatsa toy ny nenina sy haneso sanatria fa... mialohan'ny andehananao hamono tena aloha dia... tiako raha voavakinao ity tononkalo ity ! Amin'ny fotoana andatsahanao tomany Anatin'ny onja-piainana mihatra amin'ny aina Ny fahoriana lalina sy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/atao-izay-mahamendrika
ATAOVY IZAY MAHAMENDRIKA
LAVENONA
ATAOVY IZAY MAHAMENDRIKA Hoy ny baiboly hoe... Ny finoan'ny maro an'isa rehefa any aoriana any dia sady tsy mafana nefa koa tsy mangatsiaka Ho maro ny hihemotra amin'izany andro izany... fa manahoana kosa ny ara-panahintsika... raha hiatrika ny farany ? Ho maro fahavalo ianao...izay atao an-tsaina ka be ireo mp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/iza
IZA...?
LAVENONA
IZA...? Iza no miharitra ny eso sy ny olana raha sanatria mandositra ny lehilahy kanosa ? Ary iza no milanja ny kibo sivy volana mizaka hirifiry sy adin-tsaina mihavosa... raha izay no zava-misy ? Iza no nibaby sy nampianatra namindra mikarakara hatrany fa tsy mba mitaraina ka seriny dia seriny sy tena faly ind...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/tokantrano
TOKANTRANO
LAVENONA
TOKANTRANO Ny ankizy amin'izao...tsy ampy taona dia efa mahay raha sahady bevohoka mialohan'ny fotoana ka... voatery mandeha manambady ! Dia any izy ireo vao manenina Mitomany vao tafiditra ao Mba meteza re reto tenenina fa... ny tokantrano tsy hisangy aminao a ! Ny sasany izany moa aza... tsy hita lazaina in...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/ratra
Ratra
Frederic Rnf
Ianao ilay mba nanankinako ny fitiavako No indro lasa nitondra ratra ity foko. Hay ianao, kay efa nanan-tompo fa tsy tokana, Kanefa nilaza ho tokan-tena telo volana. Dia indro fa nisokatra indray ilay feriko, Satria nototofana abobo sy fitia laingalainga. Ilay fitia mamy izay natolotro antsitrapo, Indrisy, fa ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/vavaka
VAVAKA
RA Freddy Jn
Andriamanitra o, raha sitrakao anie Mba henoy ity vavakay izay mitalaho Fa voagejan'ota sy hadalana re Ity Madagasikaranay ity O mba henoy, sy mba valio ry Ray izato fitalahoanay , Fa Ianao anie ilay mahay ny zava-drehetra Mahita ny takona, sy izay miery amin'ny haizina. Iza moa no hitalahoanay raha tsy ianao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fo-roa
FO ROA
Fredy Jaofera
FO ROA Fo roa mitepo iray, mamoa fitia mivay. Fo roa miaraka ory, hamoha hery natory. Fo roa mifanohana, hanoa ny hogohana. Fo roa mifamatotra, miravoa fa ho matotra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/loza-sesilany
LOZA SESILANY
AORN
Tranga niseho nandritra ny lanonana teny Ambohimalaza ka nahafatesana tanora maromaro tamin'ny alalan'ny sakafo Fa loza ahoana loatra, ity mitranga ity Fa he toa miapatrapatra reo nofo izay malia Tanora maromaro nikasa ny hifaly No ndray nandao ny tany sy niaritry ny jaly Fa raha ny teto Iarivo, no tantaraina fohy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aiza-ianao
AIZA IANAO ?
Fredy Jaofera
AIZA IANAO ? Vitsika momba kitay, Onja mitopa indray, Aiza ianao, aza fady, Hafahafa ka mitady ? Iriko ange ny ho any, Raketo etoana izany ; Afero izao, ry tiako, Nanala ireo fifaliako, Alahelo mifono fitia.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fa-amzay-anefa
FA AM'ZAY ANEFA...
AORN
Mianara aloha mitantana Ny zavatra efa misy sy eo am-pelatanana Karohy izay tombotsoa Mba hisitrahan'ny mponina sy ny isam-baravarana Raha ny filana fototra No ratsy fitantanana No sady ratsy zara Dia aza manantena zay mety hampandroso an'i Madagasikara Ny rano sy ny jiro zay ain'ny firenena sy ny olona a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/tsy-fitiavana-hono
Tsy fitiavana, hono ...
Ny Radontsoa Mamiratra
Ireo ngadona mamy foronin’ny foko: Niainga fanahy noho ireo masonao; Ireo sarisary manjary tsaroako raha vao te-hamorona hira vaovao … Ireo nofinofy miantso ambiroa hitoetra ao anatin’ny “fo manantena”; Ireo sebisebin’ny tongotro roa rehefa handalo any Avaratsena … Ireo anjomara nanaitra Fanahy tanatin’ny alin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/ny-eo-anilanao
Ny eo anilanao
Frederic Rnf
Mandry ny saiko akia ry malalako Rehefa iny aho mitoetra anilanao Toa lafatra ery izany fiainako, satria Omenao fitiavana tsy mankaleo Ravo ny foko, miramirana ny saiko Rehefa mamihina ahy ianao Ny eo anilanao toa misy hery, miavao Isan’ora ka manome hasambarana Ka na ho avy aza ny andro mangidy Na hitranga am...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lyandy/ho-anao
Ho anao.....
Lyandy
Ho ANAO izao ry vadiko no anoratako anio, Andraisako ny penina ka Etsy MBA vakio, Ity taratasy soratako ho anao, Anambarako indray ny fitiavako anao.... Tamin'ny voalohany nahitako anao, Manga ny lanitra, faly re Zao, Foko mitempo ho anao hatr'izao Malalako tiako, tsy afeniko anao, Mitombo isan'andro ny fitia, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hiverenako-intsony
TSY HIVERENAKO INTSONY
Fredy Jaofera
TSY HIVERENAKO INTSONY Tsy hiverenako intsony ny handeha hankany rehefa tsapa ny fony fa ratsy eny hatrany. Tsy hiverenako intsony, na nisy fiangaviana fa narary ny vavony ka nitera-panaviana. Tsy hiverenako intsony fa namoha ny ratra nahabe ny lonilony tsy mba nahazatra. Tsy hiverenana intsony fa nandrav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fitiavan-dreny
FITIAVAN-DRENY
AORN
Misy reny sahy miafy mampandefitra ny zony fa manandratra ho ambony zato ho avin'ny taranany Misy reny sahy mijoro mampangiana ny ambom-pony ka miezaka ho tony ho tombotson'ireto zanany Misy reny sahy milofo sy manolotra ny ainy sahy mandemy ny ao an-tsainy Ho fitsinjovana ny farany Misy reny tsy miteny na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lyandy/hafatra
Hafatra
Lyandy
Oram-be mivatravatra, kotro-baratra milatsaka .. tsy mety tony, Rivotra misafoto,mandrava izay naorina, Izato Havandra manimba sy ny forongony, Mandrotika fanahy, mampitondra fahoriana. Mitamberina ao an-tsaina avokoa ireo lasa, Toa mampatahotra indrisy, maha-ory loatra AHY, Dia Ilay nitia anao iny , izay MBA no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/nifampitaona
NIFAMPITAONA
AORN
Ho fahatsiarovana an'itpkl Ramaroson Janvier (107 taona) sy i Rasolofo Leon zanany, izay nifanao roa andro ka nifampitaona ho any amin'ny mandrakizay Fa malok’antoandro toa raho-mitatao Reo andro nandaozan’ireto havan-tiana Fa ray sy ny zanaka no indro nandao Nilefa tsy niera amy fianakaviana Raha atao indray mije...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-alina-mangina
NY ALINA MANGINA
Fredy Jaofera
NY ALINA MANGINA Ny alina mangina, manam-pitoniana, miantso torimaso tsy ilana andraso. Ny alina mangina, mamono fijaliana, mibaby fiadanana tsy hay sakanana. Ny alina mangina, manam-pitokiana fa ampitso mamy no indro ho tamy. Ny alina mangina, mbola iangaviana hanala harerahana efa nahazo vahana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/kay-ankoso-bolamena
KAY ANKOSO-BOLAMENA
AORN
Tantaran'ny mpifankatia...saingy nampirafy ralehilahy...nifamaly ny tena tompony (Menja) sy ilay rafivaviny (Rova)... Nantsoiny omaly ilay malalany... Olon-kafa no namaly feom-behivavy fariparina feo milanto toa namboarina sady mbola nanontany: "Iza moa ianao izany?" Dia gaga izy no sadaikatra Fa misy inona any...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tantaram-pitiavana
TANTARAM-PITIAVANA
Fredy Jaofera
TANTARAM-PITIAVANA Tantaram-pitiavana misy foana ao anaty no mitera-piniavana Tantaram-piniavana mamerina ahy indray ny ora nampihavana ny nisy hatramin'izay. Tantaram-pitiavana mamoha ho azy eto iny alahelo goavana sy ireto hirahira ireto. Tantaram-pitiavana mendrika ho tadidy fa tsapa ho mavana ny foto...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsifa/izao-fisiana-izao
Izao fisiana izao
Ratsifa
Izao FISIANA izao Dia tsy Tonga Tonga ho azy Fa nateraka fitiavana Ny tsisy Tonga misy Ny misy ho tsy nisy Fa tsisy noforonina Avy tamin'ny misy Izao fisiana izao Ny tsisy fantrao Ny misy avy aminao Saina no nitia Ary saina no nanaiky Avy aina avy amin'ny aina Ary Nofo avy amin'ny nofo Ny vatanao voahary ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-vavaka
AMIN'NY VAVAKA
Fredy Jaofera
AMIN'NY VAVAKA Iadio amin'ny vavaka ny tolonao rehetra, Itokio fa dia ho afaka, tsy hisy iray hitoetra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fitia-tsy-terena
FITIA TSY TERENA
AORN
Ianao ilay milaza ho "tia" saingy menatra hampiseho eo imason'ny tontolo... ataoko ahoana no ankafy ka hisitraka avy hatrany ndrao fitia tsy tsara kolo? Fa matoa tsy mbola sahy mety mbola misy angamba Olon-kafa antenaina dia haratranao tsy nahy zato foko tena babo ka hipitra sy hangaina Mantsy raha fitia a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/voady-adala
VOADY ADALA
DADAFARAtolotra
Tsaroko isika roa, ilay nilokaloka ho fatorana mitovy toy ny vary iray sindrika Dia nieboebo fatratra fa ho avo noho ankaratra, ary mihotra noho Andringitra Hay kay isika roa ireto toa toankasina amparihy, tsy mahazaka hitsam-pody Ka vao nolalovan-drahona miampy orana sy avandra, dia maty tsisy fanafody Any izay ia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tenako-sisa
NY TENAKO SISA
Fredy Jaofera
NY TENAKO SISA Ny tenako sisa no eto mahatsiaro ka inty mitanisa ireo vazivazy maro. Ny tenako sisa no miteniteny irery ka mamisamisa ny hoavy tsy an-tery. Ny tenako sisa no mitady haravoana ka dia mila kisa fa tsy mety hikaloana. Ny tenako sisa no misento mangina ka mampikorisa ny penina re, ry tiana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/karma
KARMA
AORN
Fa hono ho'aho r'ilay mpisoloky fitia Zay mbola mihaody sy miriaria tsy menatra akory ny mampanantena fitiavana sandoka tsara jerena Fa rehefa fotorana lainga sy fitaka Mody milamina hay savoritaka Vavany fotsiny mipetsopetsona fa ny ao an-tsaina dia te hampiesona Mbola ifotoroan'ny todim-pitia K'andana mikisa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/hamy
HAMY
tsiolaka
Miverina manditsoka Ilay vovoka fahiny Niaraha-nilalao teny an-dohan'ny vinany Injao fa re niritsoka tanatin'ny tadiny ny angolam-peonao ilay rotsaka tomany Fa ny eto izao mamerina ireo lasa tsara tefin' ny vita sy tsy efa ka mihovitra ao anaty fa zary mitsingerina anaty maridrefin' ny vetso miantefa ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina-sylvia/fanolanana
Fanolanana
Rina Sylvia
Misoratra mivandravandra amin'ny lohatenin-gazety matetika ny hoe:'' NISY TOVOVAVY IRAY VOAOLANA TETSY NA TEROA''. Fa ny tovovavy koa anie... toa mihandrahandra sy miakanjo fohy ary koa mihanjahanja ka... aiza no tsy ho voaolana tokoa e!? Aseho ny foatra a... dia ahanjahanja amin'ny akanjo tery ny habean'ny fitom...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/vavolombelonny-dia
Vavolombelon'ny dia
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Vavolombelon'ny lasa ny sento Vavolombelon'ny hoavy ny tsiky Vavolombelon'ny hery ny sedra Vavolombelon'ny tanjona ny ezaka Ny andro maraina, Vavolombelon'ny alina lasa. Ny saina mijoro, Vavolombelon'ny fanantenana. Ny fahasambarana, Vavolombelon'ny tanjona tratra. Ny teboka farany, Vavolombelon'ny lalana vi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/zakaiko
ZAKAIKO
AORN
Kanefa raha ny latsa sy teny izay mandratra no asetrinao ty foko zay tia sy tokan-doko, dia aleo hifarana eto fa jaly mampisento ka ho koboniko ihany ty masoko tomany Ny adin-tsaiko moa tsy avelako hamoha reo lasa sy tsiaro zay nifangaroharo ndrao hila kisa indray Hamelona ny tsiahy Ka tonga hietraketraka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/reny-soa
RENY SOA
AORN
Ho fahatsiarovana an'i zokiko Hajasoa Pauline, izay nody mandry ny 28 mai 2024 Toa niselina ato an-tsaiko ‘zato ianao niatrik’ady Reny mbola anatin’ny heriny no nandao anay sahady Maro ireo zay nahatsapa fa mangidy raha mangidy Zany hoe nilaozanao, ilay reny tsy nitsoaka adidy Fony ianao vao ampy taona, no efa ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/ankamantatra
ANKAMANTATRA
tsiolaka
Mitory ny hakanton'ilay zazavavy ngaly ilay tomaratara-bolana zary mikisarisary misalobon-drahonkely anivon-kitana alin-kisa sarangaiko ho ilay dindon'ny mpanjakavavy Balkisa Liombavy mahatoky tsy mifezaka aman-kaza tsara tombana marirana ,tsara rindra,tsara laza mivolon-dain'i kedara ngilongilo manan-doko ao an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/raha-ory-moa-ny-fo
RAHA ORY MOA NY FO
AORN
Raha ory moa ny fo Dia Iza no antsoina ? Hitantaraina indray reo ratra mahakivy Sa zovy no hamaly ? Hihaino sy hanoina Ka tena hanampy anao hanala izato ngidy ? Fa na ny namana aza Dia mbola mampanahy Fa ndrao hivadi-dela raha tojo ny atambo Tsy ho menatra akory Hivarotra fanahy Handatsa anao mihitsy fa te h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lalaharison-havotraniaina/fetinao-anio
Fetinao anio
havotraniaina
Fetinao anio, natokana ho anao, Eny! izao anio izao, no hiarahabana anao. Arabaina ho tahian'i Ray, nomeny tombon'andro iray, Eny! Izy no ilay mandrakizay, no hitantana anao indray. Koa ny andon'ny lanitra, sy ny tsiron'ny tany anie, hirotsaka tsy hisy tomany, ny fiainanao ho feno mamy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsifa-nandrianina-yvette-dit-ratsifa/io-fitiavana-io
Io Fitiavana io
RATSIFA NANDRIANINA YVETTE dit RATSIFA
Io fitiavana io hery tsy azo lavina raha Mbola eto an-tany Io fitiavana io, izy no tadiavina raha mbola miaina ihany Fa io fitiavana io, antom-pahavelomana Io fitiavana io tsy maintsy hitolomana Nefa Io fitiavana io, zava-mampijaly Tsy fantatrao izay antony Io fitiavana io anefa koa dia mamy Raha iainanao ny hak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/ilay-mama-vaovao
ILAY MAMA VAOVAO
tsiolaka
Ilay Mama vaovao vao nakarin'i Dada toa manalasala tsy sahala amin'i Neny fa toa malemy paika...! tsy be tabataba mahay mandangolango rehefa miteny. Indrindra rehefa i Dada tsy miasa ka vory daholo izahay mianankavy hatramin'ny tongotr'i zandry voasasa miavosa ny orokoroka sy tambitamby Ilay Mama vaovao vao nak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/tsy-ho-rava
Tsy ho rava
Randja
Raha ny fitia no miaina, mijoro tsara dia olon-droa nifanaiky fa hoe tia tsy ho rava na hikoro fa voakarakara hinoako fa haharitra ho doria Na hisy fisedrana na hisy ireo olana fa ny fitiavantsika tsy ho rava efa tsara fototra, efa mafy fatorana hantenaiko fa ho velona lalandava Mandeha ny andro, mandeha koa ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsifa/io-fitiavana-io
Io Fitiavana io
Ratsifa
Io fitiavana io hery tsy azo lavina raha Mbola eto an-tany Io fitiavana io, izy no tadiavina raha mbola miaina ihany Fa io fitiavana io, antom-pahavelomana Io fitiavana io tsy maintsy hitolomana Nefa Io fitiavana io, zava-mampijaly Tsy fantatrao izay antony Io fitiavana io anefa koa dia mamy Raha iainanao ny hak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/aza-hatao
AZA HATAO
RASOA
Raha misy zavatra tsy mety Izay azo hialana eto an tany Dia ny manery olona hitia Fa tsy mba manontany Ftiavana miredareda Tsy mba hay nofefena Tsy nahay niandry izay valiny Izay mbola nihenahena Misy koa fitaizana Izay mety raha hialana Dia ny mahery setra @ ankizy Indraindray tsy voatana Mampitondra ny m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ahitana-ny-tsara
AHITANA NY TSARA
Fredy Jaofera
AHITANA NY TSARA Ahitana ny tsara ao amin'ny tsirairay, na inona ambara ny momba azy izay. Ahitana ny tsara tsy ampoizinao eto mahabe tantara lafo tokoa ka raketo. Ahitana ny tsara, na olona haratsina tsy misy anjara hipoiram-pitahiana. Ahitana ny tsara manintona marina ka indro voarara fa satry re hiva...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tsy-misy-fetra
TSY MISY FETRA
RASOA
Ianareo no tiako Na Hendry na maditra Na tafita na fatritra Na dondrona na mahay Ianareo no ahy Ianareo no tsy foiko Na lavitra na akaiky Na mandà na manaiky Na manadino na mahatsiaro Ianareo tsy atakalo Ianareo no ezahiko Na marary aho na Salama Na mangatsiaka na mafana Na andavan'andro na alahady Ho ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/ny-aina
Ny aina
Ilay FANAMBY
Ny aina, Ny aiko dia tsy ahy Fa mbola misy mpiahy ka na anio aza no halainy Tanteraka zay kasainy Ny aina tsy mifametra Noho izy manampetra Fa na anio aza no hiala Enao tsy hana-kambara Ny aina hono sarobidy Satri tsy mba voavidy Ary tsy maro fa tonkana Ka arovy sao misy misompatra Ny aina lahy Ramangatahi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena-evaristee/ilay-voary
Ilay voary
MANANTENA Evaristee
Ilay voary ato anatiko Lay fanomezam-pahasoavana voa-janahary:tsy hoe talenta nindramina fa natoraly -hikalo aho hanoratra -hiventso ka na ho faly na ho montsana eny na ho sento de hanoratra aho hatr'eto Hanoratra tokoa ve enao? Eny hanoratra aho,hanoratra mba hibaiko ny penina sao lahy ka sanatri ho nenina. -han...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/diso-fanantenana
DISO FANANTENANA
RASOA
Nirahiko ny voromailala Tsy nahatonga hafatra Nivily izy tsy te ahalala Fa vizana ka hiala sasatra Dia taratasy no nalefa Niandry, tsy misy valiny Ilay nampitondraina koa nilefa Hitako fa tsy rariny Mbola niantso an tariby Nefa dia hangahiahy Tsy mahatsiaro ahy mihitsy indry Ahafaty ahy ny tsiahy Farany aho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/mafy-izay
Mafy izay
Ilay FANAMBY
MAFY IZAY Mafy izay lalana nalehako, Tao anaty haizina nanalavitry ny hamehako, Nangina irery, nikorontana ny saina, Tena hoe ady ,rivodrivotra aman’aina. Mafy izay nialofako irery Tsy voafetra fa teny rehetra eny Teo ilay andro nahakosa-dranomaso Niezaka foana n’efa ka mbola tsy niato Mafy izay ny mitraka reh...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitady-vaovao
MITADY VAOVAO
Fredy Jaofera
MITADY VAOVAO Mitady vaovao no anoratana fa tsy re ianao hamiratana. Mitady vaovao mba hifaliana fa dia tao ho ao be fanahiana. Mitady vaovao hitaona ny fo fa saika nandao ny nisy sy to. Mitady vaovao hitondra kely izao orako izao irony tantely.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/ny-foko-tia
Ny foko tia
Djaw
Ry malalako, ry tiako, izay tompon'ny foko, Mamy tahaka irony tantely ny teninao miaraka amiko, Isan'andro aho mifoha amin'ny ravaky ny tsikinao, Mamy ery ny fiainako izay velombelomin’ny fitiavanao. Tsaroako ny ora sy ny andro niarahantsika roa, Ianao no manome hery, rehefa iny aho mamihina anao, Tsy mba lainga ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/izy
Izy
Djaw
Voninkazo tsara, izay no azoko lazaina ; Mandravaka ny tokantranoko, mamelon'aina. Izy izay manome hanitra tsy manan-tsahala ; Ilay tokako, tsy misy faharoa, antsoiko hoe malala. Neny, izay no iantsoan'ny zanako azy ; Minisitry ny tokantranoko no fiantsoko azy. Manao izay tratry ny ainy iahiana ny vady aman-janan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/nosetrainao
NOSETRAINAO
NY Andri-Fara
NOSETRAINAO Nifamahofaho tao an-tsaiko Ny alahelo ny tomany . Ny hafaliana izay nandalo ; Narahan'ise kalo ivaiva, Fony isika nankalaza tsiaro Tsiaro anaty fahanginana . Nisy nihevitra fa izaho No nampisy fijaliana Teo anivontsika telolahy ; Niaritra ny onjan-dranomasina Tsy fantatra hoe tafita . Faniriana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rmfmandafeno/tsiahy-ani-dada
TSIAHY AN'I DADA
RMFMandafeno
TSIAHY AN'I DADA Ny lasanao rehetra de injay fa toa tsiahy. Na fomba fifehezana , na anatra sy toro, Mangoraka aok'izay ny anatiko tontolo De....misento lalina aho f'hay ianao tsy ahy Nindramiko ny hery, natolotr'ahy ny mpiahy Niadana ny aty foko, fa teo ilay fefy tsara rary Izay nanoha-drivotr'ahy, sy ilay andr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanadinoana
NY FANADINOANA
Fredy Jaofera
NY FANADINOANA Ny fanadinoana, tsy ao an-tsaina fa tsiaro inoana no andrandraina. Ny fanadinoana, tsy tiako mihitsy, tsy azo irosoana ny nofinofy vitsy. Ny fanadinoana, tsy ekeko tokoa fa azo amonoana ny tsiky nahasoa. Ny fanadinoana, tsy zavatra tsara raha toa tsaroana ny lasa ho tantara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fyfy/any-akodaoda-no-tan%C3%A0nanay
Any Akodaoda no Tanànanay
fyFy
Any Akodaoda no Tanànanay Any Akodaoda no tanànanay, Mitsiky ny kintana, mihira ny lanitra. Mitempo amin-kira ny feon’ny rivotra, Miara-mitsiky amin’ny sombintsira. Any Akodaoda, zary paradisa, Ny hazo maniry, miloko voarindra. Mitsingevana ao anaty fo sy saina, Ny fitia sy hafaliana tsy ritra. Ny rano madio m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/niandry-foana-aho
Niandry foana aho.
Ilay FANAMBY
Niandry foana aho, Taona maro lasa izay Niandry teto foana aho Nanantena hoavin'maray Nefa aizim-pito aman-draho Teto foana aho nandigny Na ny voary aza nanome tsiny Fa de inona loatra "ratanalahy" Hoy izy ireo naneso ahy. Teto ihany aho no nitazana Zay mba anjara sahazana Namoy fotoana maro nifanesy Zay na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rmlydia/saingy
SAINGY
RMLYDIA
Niezaka ny hitsoaka Nofehizina mba tsy hivoaka Niniana nakipy mba tsy hahita Noterena mafy tsy hitsiriritra Nokobonina tsy hiseho Narovana tsy hisy feo Hoe halevina mandrakizay Fa nandoro ka tena nahafay Saingy! Indro fa nipoitra mora Toa vao mainka tsy voavolavola Nitsiry indray ka namelana Niroborobo tsy h...