text
stringlengths
10
11k
A, tn 1 asa maizina , tak. 2-3 199 v. A, tf 2 ny renikeliko , tak.107
Stelarim anjerimanontolo 1987, la bible source d’ inspiration poétique hiratra n 5, anjerimanontolo , imprimerie tfm
Ririnina mandririnina
Araka ny efa voalaza tany aloha, dia tanora vao misandratra ny mpanoratra nofidinay. Ny tanjona kendrena dia ny fampahafantarana ny mpamaky ny mombamomba azy sy ny asa sorany. Misy ny olona izay mahafantatra an’i haingo, fa eo amin’ny lafiny hira sy amin’ny maha olon-tsotra azy. Maro kosa ny mbola tsy mahafantatra ny asa sorany. Tsapa anefa fa manana ny maha izy azy i haingo eo amin’ny fampivelarana ny literatiora malagasy, sy amin’ny fitaizana ny mpamaky eo amin’ny lafiny maro, ary ao anatin’izany ny sehatry ny fitiavana. Ny tara kevitra fitiavana moa dia tafiditra ao amin’ny fandaharam-pianarana any amin’ny ambaratonga faharoa manokana. Tara-kevitra mahaliana ny tanora, ary mifanandrify amin’ny taonan’ny mpianatra rahateo koa.
Tsara ihany ny manamarika fa amin’ny alalan’ny kofehy manokana mpitondra herinaratra no ifandraisan’ireo singa ireo. Andeha haseho an-tsary eto ambany ireo karazana solosaina roa ireo.
Na dia aiza izy e aiza razezo fa tsy teraka any an-tsaha aiza ny tompo fa tsy ao an-tranon’omby fihaverany azy tsy mitovy amin’olona o na dia ny herin’izy tompo tsy mba tratran’ny sain’ny olombelona
Mpampianatra mpitarika rakotoarison angelot richard
Anie izao fanatanteraham-panambadiana izao, ary ho eo ambany fahasoavanao ny ho fiainan-tokantranon i raivo sy solo, amin ny anaranao jesoa kristy. Voninahitra ho an andriamanita irery ihany amena.
Miharihary eny anivon’ny fiarahamonina ny tsy fanomezana lanja ny teny malagasy, indrindra moa ny taranja malagasy. Ireo mahay teny vahiny dia mirehereha er? Mampiasa izany eny amin’ny sehatra samihafa. Ny mampiasa ny teny malagasy kosa dia toa mihafihafy sy misitritsitrika.
Io lakolosy io koa tsy niova, taona iray mahery izay no ningaona, kendakenda tapatapaka fitaika tany an-tsefan-draho-mainty nentin-drivotra nitopa no namerina ny saiko tany anaty nofinofy hody indray eto am-pisiana ka nibitsika ahy hoe ’ndeha halevina i mama ! Lakolosim-piangonana !
Olona voakasika ao anatin’izany ny mpanabe sy ny beazina. Ratsimba georges, efa mpanabe ary asa aman-draharahany andavanandro izany. Mandeha ambaratongany telo ny fanabeazana aminy ny fanabeazana ny zaza, ny fanabeazana ny tanora ary ny fanabeazana ny lehibe. Mihen-danja ankehitriny ny fanabeazana omena ny olona. Toa mifanilika andraikitra ny mpanabe isan-tsokajiny avy, rehefa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny ataon’ny olona. Iombonana ny fanabeazana miainga ao an-tokantrano, hamafisin’ny sekoly, hatevenin’ny fiarahamonina isan-karazany. Amin’ny ankapobeny ny fanabeazana ara-tsaina sy ara-batana ary ara-panahy no nantintranterina mba hahatonga ny olona hanana fitondran-tena mendrika. Tononkalo mahasahana ny maha-olombelona no noforonin-dratsimba georges. Tononkalo amohazana indray ny kolontsaina mamohafoha ny maha- malagasy. Nateveniny tamin’ny angano izay mifanaraka amin’ny toetry ny ankizy izany. Mifameno ireo mba hahalavorary ny fanabeazana.
Ao anatin’ny fotoana mandra-piainaganao indray himpody an-kibon’ny doria ! V. A lah 56 mpivahiny ihany ny olombelona. Zava-boary ambony izy. Nomen’andriamanitra ho azy, hanjakany ny zava-boary hafa, hanaporofoan’andriamanitra ny fitiavany. Tsy vitan’izany fa natolony ihany koa ny zanany lahitokana hamonjena izao tontolo izao.
Le patrimoine culturel immatériel est traditionnel, contemporain et vivant à la fois le patrimoine culturel immatériel ne comprend pas seulement les traditions héritées du passé, mais aussi les pratiques rurales et urbaines contemporaines, propres à divers groupes culturels. Inclusif des expressions de notre patrimoine culturel immatériel peuvent être similaires à celles pratiquées par d’autres. Qu’elles viennent du village voisin, d’une ville à l’autre bout du monde ou qu’elles aient été adaptées par des peuples qui ont
Ny fary mamy, kilasy famaranana sy ny tanjona nokendren’ireo mpamolavola ny boky ary ny fandaharam- pianarana hidirana tsirairay eto ny momba ireo lafin- javatra roa ireo.
Un élément est considéré comme pertinent quand il s’applique naturellement aux situations qui se rencontrent communément à la maison, à l’école ou dans la classe tanisain’i mackey, 1971 153
Nenibe ka iny ihany no nahatonga izao kohhhh. Nahita ity hevitra 785- mandihindihy foana ohatra ny adala ity. Ny fitiavana be dia be fa ny hoza-pe tsy maharaka.
Fiainan’ny firenena malagasy tamin’ny taona 1995
Nisy, na nisy fa maty noho ny doro
Ny tsiaro anaty, mavesatra mafonja tsy mba mety ho foana, na dia segondra monja tsiaro tena mamy madinty toy ny ramy an-tratran’ny tinaiza ; tsaroana, n’aiza n’aiza ! .
Fanafody t11, t15, t18, t30 4 4
Sinton-kevitra
Misy tandindona hafa avy amin’ny sokajin’anarana bantu m- wa- eo amin’ny teny malagasy. Mifanova amin’ny wa- swahili ny va- na ba- amin’ny teny malagasy. Samy manondro olona avokoa ireo tovona ireo. Amin’ny teny malagasy dia tsy misy ny fifamaliana amin’ny tokana sy amin’ny maro. Ohatra anarana manondro olona mitovona va-
Ny tahotry ny ratsy fanahy fa ny irin’ny marina hihatra aminy no homena azy.
Ny literatiora am-bava sy ny literatiora an-tsoratra.
Evans pritchard e 1972
Mbola maro ny mahakasika ny fitiavan ny reny ny zanaka ao amin ity tantara ny zanako ity. Ireo teboka telo lehibe ireo no tena misongadina, ary hita fa manaraka ny lôjikan-kevitra ny fomba nanazavany azy ny niresahany ny ankapobeny momba ny reny sy ny zanaka, ny nanazavany ny antsipirian ny fitiavan-janaka izany, ary ny namelabelarany ny akon io fitiavan-janaka io. Voatohana ary voaporofo mazava, araka ireo ohatra ireo ny heviny.
Betsaka ny tolona mifanohy rojo, fa mahery ny olona ambininao ho tojo fandresena lalina amin’ireo alina diavin’ny mpisetra ady tsisy fetra
Tsiriry tsy mandao kamory mihirahira sy mitafa; fa na finaritra na ory, dia tsy maniry rano hafa
Mitsinjara amin’ny tokantrano miisa 8947 ireo mponina miisa 5971 ao anatin’ny kaominin’antsahalava.
Ny fandeferana, hono, no mampirindra ny ankohonany.
Soameva mbola miantso vonjy , mikapoka varavarana , fa miha-reraka ny feony mbola a! Mbola an’eritreritra tena tsy tantiko ny maheno ny feon’i neny mihakely toy izany ka! Inona re no hataoko e? Ny zandriko koa ireto tsy misy mety matory fa mipitrapitra mijery manandrify ny efitra nanidiana an’i neny. Fa dia inona loatra ary no nahatezitra an’i dada ka nahatonga azy hanidy an’i neny ao e? Amin’izay tsy avelany omena sakafo. Aleo rangaha angalarako hotolorana sakafo izy fa tsy zakako izany antsoantson’i neny hatramin’ny atoandro izany ka! Mamindra, mijanona tampoka, misy varavarana misokatra oay? Izay i dada! ! Mikoropaka miverina saika tratrany aho marina. An an an! Aleo asaina matory aloha ny ankizy dia mody mianatra aho mandrapatorin’i dada. Rehefa matory daholo ny rehetra vao hanaterako sakafo i neny. Feom-baravarana mihidy ary toa lasa nivoaka ny trano ange i dada izany e! ? Andraso hoe tsikiloviko! Mamindra io tokoa fa nihidy avy any ivelany ny varavarana aleo hararaotiko amin’izao ny fanomezana sakafo an’i neny sao tafaverina eo iny mozika acte 15 soameva , mbola miteny mora ao an-trano, alina soameva ilazao totoa liza hiantso dokotera ho aty fa misy maharary be ahy ato ambany heliko ato zany! Mbola ka sao dia izy indray no ho vonoin i dada eo ry neny a! Ohatran ireny olona romotra ireny ange izy lasa any zay e! Soameva fa lasa aiza angaha izy ry mbola? Mbola tsy fantatro fa hano haingana ny sakafon i neny sao tratrany eto koa izaho ka! Soameva tsy hahatelina angamba izaho zany ry mbola fa maharary be ahy ange ny molotro novelesin i dadanareo teo iny e! Mbola misotroa rano fotsiny ary e! Aleo aloha tonga dia ateriko reto , avy eo aho maka ny kaopy nisotroanao rano ! Feo-na vilia, lasa soameva misento , an’eritreritra mampalahelo ahy iry zanako! Amin’ity andro efa amin’ny firy alina mbola tsy matory ihany , fa miasa saina sy nisahirana nanome sakafo ahy , nefa izaho ty tsy naha-hinana akory. Toa tsy ho zakako intsony ny hiaritra izao herisetra mahazo ahy izao ka! Aiza ve ka hatramin’ny zanako avy ity no mitondra ny fijaliako?
Ny hanihany sy sangy maneho izany ny eja ao amin’ny hay moa ireny sangintsika ireny toa sarotra fantarina hay moa tsy izaho irery no lasam-borona amin’ny alina ?
Hetsika mahazatra. Ohatra ki-lavaka kilavaka fomban’olona fetsifetsy , ki- mody kimody fomba mandeha mody, fahazarana mandeha amin’ny fotoana tsy tokony hanaovana izany , ki-dodo kidodo fomba fandihy ampisehoana ny fahakingan-tongotra aman-tanana .
Hevitra roa tsy afa-misaraka no fonosin’ny voambolam-pizahoana araka ny voalaza teo. Ny tombon-kevitra faharoa no maneho ny fahitana soritra ny mpiteny ao anatin’ny ambara mety ho raiki-tampisaka ao amin’ilay teny ny tombon-kevitra maha voambolam-pizahoana azy 66. Izany hoe, avy hatrany dia manombana ny zavatra ambarany ny mpiteny isaky ny mampiasa azy. Ny mpamaritoetra ratsy, amin’ny hoe ratsy tarehy, ohatra, dia tsy manambara toetrana endrika hentitra izay faritana ho ratsy fa maneho ny fitsarana ilay endrika araka ny fahitan’ny mpiteny sy ny fiheverany azy manokana izany hoe ratsy amin’ny mpiteny fa mety ho tsara amin’ny olon-kafa. Ny tombon-kevitra ihany koa dia mety ho hita taratra avy amin’ny fampiasana marika manokana arafitra amin’ilay voambolana 67. Isan’ny ohatra maneho izany ity tenin’i mino amin’i tsiry ao amin’ny vakivakim-piainana, tak.45 ity ny tompon’ny fahefana eto ambonin’ny tany dia ny firenena manan-karena, ny tambatr’orinasa manan-karena, ny fianakaviana manan-karena, ny olona manan-karena. Ary io fahefana io no ajorony ho rariny. Ny rariny kosa indray no ifotoran’ny mariny ary ny mariny no atao hoe marina.
Presente par harin’aivo santamalala gilberto
Feo no tendrena fa tsy sarimihetsika hita na haseho !
Inoana anefa fa matoa mbola hitantsika hatramin’ izao ny gazety imongo vaovao dia teo ny ezaka lehibe nataon’ny mpiandraikitra, ary nanampy azy tamin’ny famelomana ny gazety ny mpamaky. Azo lazaina araka izany fa gazety manana ny maha izy azy tokoa ity gazety ity ary tsy mena-mitaha tamin’ ireo gazety maro izay nanana ny foto-kevitra ijoroany tamin’izany toy ny fanasina, rariny la justice, hita sy re, lakroa an’ i madagasikara tiana asina fanamarihana kely ny momba ny gazety imongo vaovao. Raha ny votoatiny mantsy no asian-teny dia hita fa gazety mivantambantana izy teo anatrehan’ ny sivana tamin’izany. Tsy menatra milaza ny heviny izy manoloana ny zava-nisy ary inoana fa izany no nahatonga ireo fitoriana sy fampihatoana isan-karazany nihatra taminy. Azo fintinina toy izao izany fitoriana nisy 13, ny fampiatoana 15 andro nisy in-droa, fandraofana nisy in-droa22. Marihina fa tao anatin’ny repoblika voalohany ihany io fa mbola maro ny tamin’ny vanim-potoana taty aoriana. Na dia teo aza izany rehetra izany, dia indro mbola hita ihany ny gazety imongo vaovao izay mivoaka isaky ny alakamisy. Izany rehetra izany no ahazoa- milaza fa gazety manana ny maha izy azy ny gazety imongo vaovao.
Taona 2008, lah 1235, 1271, 1278, 1282, 1291.
Sokajy fahatelo andraikitry ny fokonolona tsy mahatafavoaka dian’omby ity dingana manaraka ity indray dia fepetra raisina any am-panarahan-dia;
Niova miandalana ny fifandraisan’izy ireo. Niezaka ny hitony izy mba hisian’ny filaminana. Ahitana fanitsian-kevitra eto, amin’ny fampiasana ny teny savily tsy fa. Izay nenti-nanasongadina ny hevitra lazaina ao amin’ny tapany faharoa babo manan-kambo
Lovako t11, editions ambozontany-analamahitsy- antananarivo, 240 tak
Guillaume g 09 janvier 2013
Ny fin ri.1mbem-panang 111an;1 vo i. ! Oh my h 1trehin ny filohan’ny fckontany handanlana ny fitsipim-pitondran 1. Ny fitsipika anaty, ny dina, hifidi.1nana ny mabr. Rn ’ny birao, hifidianana ny mp.111; i. Ra-maso 11 bonty sy ny volan ny fikambanana ny fifidianana d, i at.10 i. ; nin ’ny abbn ’ny b1.5a-lx1to miafina. B. Ny fivoiiarn jt ara-potoaua iljy voafdra ao aua1in’ny fitsipi-pitondra. Na ny fotoru1a hanatautcrahanj azy ny fivoriambc ara-potoana voalohany fankatoa ; ana ny t jlk’asa. Ny programjn asa syn teli-bola mandritra ny taona,
Hoy koa rado tao amin’ny gazety midi madagascar, 03 aogositra 1987 poeta avokoa ny olona rehetra fa ny mpanoratra no karazana fantsona mamoaka ny fihetseham-pony ho fantatry ny maro. 36 izany hoe, mitovy amin’ny olon-drehetra toy ilay voalaza teo ambony ihany izany ny mpanoratra fa tsy olon-tsoa ka tonga lafatra , hoy ratsimaholy francinet. Ilay fihetseham-po ampitainy, na ilay hafatra , no maha olon’ny zava-kanto azy. Mbola maneho olombelona mivantana ihany koa ity tononkalo hoe olona34 ity
Aorian’ny fahatanorana tsy maintsy miditra amin’ny fahalebiazana na fahanterana. Tsy ho tanora lalandava rahateo. Arakaraka ny hirosoana amin’ny fahalebiazana no hitomboan’ny fahamatorana.
Fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra na maître fram no nanankinan’ny fanjakana ny asa fampianarana. Tsy dia nahazo fiofanana anefa izy ireny ka tsy mahagaga raha nihena ny lentan’ny fampianarana. Ny mpianatra no nizaka ny voka-dratsiny. Ary ambonin’izany, mbola tsy afaka ny tarazo navelan’ny fanjanahantany teo amin’ny sehatry ny fampianarana, dia ny hamolavola ny zaza malagasy ho mpiasa mpanampy ireo mpitondra tamin’izany. Ny hahatonga ny tanora malagasy ho vahoaka fehezina mahatoky sy mpankato an’i frantsa no tarigetran’ny fampianarana tamin’izany fotoana izany araka ny namaritan’i gallieni azy66 , tsy ny ho mpamoron-javatra na ny ho mpisaina velively. Hoy ratrema william tsy ampy mihitsy ny anjara biriky entin’ny malagasy amin’ny famoronam-pahalalana sy haitao ary fitaovana enti-manatsara ny fiainan’ny zanak’olombelona. Tsy mahagaga izany rehefa tena halalinina satria mijanona hatramin’ny fahaizana mifehy sy mampihatra ny lalan-tsaina efa hitan’ny hafa fotsiny ny manam-pahaizantsika. Izany hoe mpianatra mahafatra-po fa tsy mba lasa mpianatra mpamorona na manam-pahaizana ekena eran-tany bon élève fa tsy maître à penser , araka ny filazan’ny frantsay , v. A, tak.152 tsy lavina, fa raha aty amin’ny kaontinanta afrikana, dia anisan’ny firenena manana manam-pahaizana maro ny firenena malagasy. Manam-pahaizana faly mampihatra ny vokatry ny fikarohana nataon’ny hafa fotsiny anefa. I e. D. Andriamalala moa ao amin’ny boky ny fanagasiana, dia manambara fa noho io tsy mba namolavolana ny zaza malagasy hisaina io, dia ny hafa no misaina ho antsika. Ary tsy ho ny tombontsoantsika velively no hosaininy! Olana lehibe izany, olana tsy hahafahana mampandroso ny firenena. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena mantsy ny fampianarana. Noho ny fampianarana ao aminy, dia mety hiova ho tsara na ho ratsy ny firenena iray. Eo koa ny lafiny pôlitika mahazo vahana ao amin’ilay firenena.
Rabary pasteur , daty malaza, boky i, 31 desambra 1822, p.50
Mba fantatrareo ve ilay tropy miavaka indrindra eto anivon’ny nosy ny fahazavany tsy mba mety mitsilopy ny lazany arovany tsy ho voahosy.
Fandinihana ampahan-dahatsoratra maromaro
Loharano gérard, 2000. Savoir, oui mais encore !
Ny mpianatra ao amin’ny sampana f. P. I sy f. Q dia vitsy vehivavy. Ny 14,42 n’ireo mpianatra ihany mantsy no vehivavy, izany hoe ny 15 tamin’ireo 104 nanaovana ny fanadihadiana. Araka ny voka-panadihadiana izay efa natolotra teo aloha, dia ny 65 n’ireo vehivavy manaraka ny fampianarana tekinika no mankafy ny taranja malagasy. Noho izany, raha vitsy ny vehivavy ao amin’ilay kilasy, dia mihena araka izany koa ny mpianatra tia ny taranja malagasy.
Eo amin’ny sehatry ny literatiora ny fanahy dia fitaovana entin’ny mpanora- tra sy ny poeta mifandray amin’ny andria- manitry ny poezy antsoiny hoe muse
Nenifara raoely james
Tafapaka taty madagasikara izany ady izany tamin ny nidiran ny tafika anglisy tao diego- suarez ny volana mai 1942, naka an i majunga ny volana septambra, ary tafakatra teto antananarivo tamin ny 23 septambra. Vokatry ny ady dia noravana ny antoko pôlitika, nosivanina ny lahatsoratra navoaka an-gazety, ary natao andri-maso sy norahonana hatao sesitany izay mpitarika mitady hanao fihetsiketsehana. Raha izay no azo amintinana ny zava-nisy teo amin ny lafiny pôlitika, nanao ahoana kosa ny akon izany teo amin ny fiainam-piarahamonina ? 2.1.2. Teo amin’ny fiaraha-monina
Universite d’antananarivo ecole normale superieure formation initiale litteraire departement de langue et lettres malgaches
Ramahefason ny nenitoany
Araka izany, ny mpampitohy a- malagasy manondro toerana dia mifanova amin’ny kwa swahili manondro toerana; iray fiaviana ireo voanteny roa ireo, samy avy amin’ny vondron-teny bantu. Mety mifanosona amin’ny zana-teny misy a- milaza toerana avy amin’ny vondron-teny ôstrônezianina sy ny a- avy amin’ny vondron-teny bantu. Hita io zana-teny io ao amin’ny tagalog, ilay teny be mpampiasa indrindra ao filipina; sa no endriny amin’io teny io. Ohatra ny andian- teny sa paaralan dia midika ao an-tsekoly. Tsy mahagaga raha mifanosona tahaka izany ny endrika avy amin’ny vondront-eny roa tonta satria araka ny hita ombieny ombieny, afaka miara-dia ny voanteny mitovy hevitra fonosina.
Sabotsy namehana 45 43 lycée f. J. K. M. Andriamanarefo
Frais opérationnels
Nohadihadiana tao amin’ny fizarana faharoa ny endrika ivelan’ny asa soratra. Nofakafakaina nandritra izany ireo hasin-javatra mamaritra ny tantara foronina ny firafiny, ny mpandray anjara ao amin’ny tantara ary ny toerana sy ny fotoana nisehoan’ny tantara.
Fifandraisan’ny mpandray anjara
Ambodipaka 92 89 03 43 49 37
Seheno tena mbola tsy voadiniko aloha izany e! Fa mamangivangy anao at? Izany izy iny?
Renikalo 55 taona
Tsy ampitana hafatra fotsiny ny serasera amin’ny alalan’ny teny, fa natao koa andrariana fifandraisana eo amin’ny olona 20 tsy nifampiteraka ramira sy ratovo ; ny fifampiantsoany amin’ny neny sy anaka ao amin’ny fizarana 3-fisehoana vii tak. 53 dia mamboly fifandraisan’ny reny sy ny zanaka eo aminy sady azo itarafana ny rafi- pisainany. Azo takarina avy amin’ny resaka ataony izany ny toetran’ny mpiteny. Izay indrindra no fomba entina mamantatra ny toetran’ny mpifampiresaka ato amin’ny
Ton. 2 ianao no hiraiko
Izay mahakasika azy
Masoandro io dieu soleil dios sol fa raha tsy misy izany fandatsahan-dran’olona izany araka ny finoany dia mijanona tsy mety miposaka io masoandro io. 123 sahala izany koa amin’ireo sisa hafa, maro ny firenena miaiky fa ny ray aman-dreny dia mpahary. Izy ireo no miantoka ny famelomana ny zanany. Ireo fanahy izay mitoetra ao amin’ny olona kosa dia tahaka izany koa ny asany eo amin’ny mponina mahita ny zavatra ho avy manjo ny zanak’olombelona, afaka mitsabo ny olona manana izany no lazaina hoe mpihanjaka, olona itsanganan- janahary na itsanganan-draha na itoeran-draha ao ambodivoara. Miisa amam- polony maro izy ireo, ary saika razana mpanjaka avy any avaratra, tarik’ andriamisara efadahy no ankabeazany. Olona roa ihany no mianjaka radama voalohany sy andrianampoinimerina any an-toerana 3.1.1.2. Ny finoana ny razana
Tahirin-kevitra
Ny momba ny fitaovana nampiasain’ireo mpampianatra teny amin’ny ltpa ambinda no nojerena teo. Fa haroso manaraka indray ny fizotry ny lesona.
Lalànan ny fiainana tsy azo ialana, foto-pisarahana sy andron-korana, nefa ao anaty tsy avela ho faty ilay otrikafom-pitia fandresena ny alin-toreo dia ny fo manantena v. A. Tak 96-, and 2, andl 5-6, and3 fahendrena araka izany voalaza rehetra izany ny fanekena ny fisarahana an- tany. Marina fa hiova lasy ireo olo-malala, kanefa tsy handao tanteraka akory izy ireo, fa tonga amin ilay tenin andrianampoinimerina raha nametraka an-dradama tamin ireo mpanolo-tsainy izy hoe nefa tsy ho aiza aho tsy akory, fa hibitsibitsika aminareo sy ilaidama eny ihany hoy ny tononkalo veloma feno hasina, fifampitsofan-drano
Ireo zava-misy ao amin’ny kaominina
Resaka nifanaovana tamin-dramatoa razafindrasoa odette taranak’ireo mponina voalohany teto ambohimanga atsimo ny 20jona 2014 24randriamamonjy f , tak.228-229 25 resaka nifanaovana tamin-dramatoa razafindrasoa odette taranak’ireo mponina voalohany teto ambohimanga atsimo ny 20 jona 2014
Ny hendry koa na dia ory, toa tsy miraika firy akory meteza hianatra azy ireny handray ny lesona omeny!
Araka izany, dia zava-dehibe tsy azo dinganina amin’ny fampitana fahalalana amin’ny mpianatra ny fametrahana ny tanjona kendrena. Izany tanjona izany dia tsara raha ezahina amin’ny fomba rehetra ny fanatrarana izany. Arindra amin’ny endrika sy ny vontoatim-pahalalana homena ny mpianatra ihany koa ny tanjona apetraka.
Azo oharina amin’ny zazavavy ny teny. Izany dia maneho ny hatsarany sy ny hasarobidiny. Ahazoa-manavaka ny zava-maro mitovitovy koa ny teny. Ny teny ihany koa dia afaka mampita aina ; fitaovam-pitolomana hiatrehana ny fiainana izy. Maneho izany ity tononkalon’i lydiary hoe ry teniko ity.
Ilay mpirediredy ka bantiana ho adala mpiantsampy an-tranon-kala mpisangisangy morona an-tendrotendron-kazo ka dia mandoto rano
Hairaha isany isan-jato manoratra 14 26,41 miteny 25 47,17 manoratra sy miteny 7 13,2 tsy misy manavanana 7 13,2 fitambarany 53 100
Calame-griaule g 1970 pour une étude ethnolinguistique des littératures orales africaines, in langages n 18 p.22-47
Ireo vady aman-janaky bory
Marary an-doha
Poteaux andry
Fahazanatany ka hatramin’ny taona efatra sy roa arivo 2004 nandritra ny naha zanatany an’i madagasikara, sy taorian’ny fahazoana fahaleovantena ka hatramin’ny taona 2004, dia nahitana sous prefecture dimy 05 i vakinankaratra. Nandritra izany ny faritra vakinankaratra dia nivelatra tamin’ny velaran-tany 1 749 600 ha. Ny fafana manaraka eto dia maneho ireo sous prefecture ireo miaraka amin’ny isan’ny boriborintany sy nyfiraisana ary ny fokontany ao aminy.
Ny tohan-kevitra dia fitambaran’ireo angon-kevitra na vinavinan-kevitra samihafa ao an-tsain’ny mpiteny izay heveriny fa marina sy mitombina ka entiny miaro sy manohana ny foto-kevitra iray tiany hampanekena ny olona reseny lahatra 110.
Fahavokaram-be.
Universite d’antananarivo faculté de droit, d’economie, de gestion et de sociologie département de sociologie formation professionnalisante en travail social et developpement f. P. T. S. D.
Ratsimbazafimahefa p le fisakana. Archéologie et couches 1971 culturelles. Musée d’art et d’archéologie. Tananarive.
Lebrun v zanghellin, histoire terminales , aubin à poitiers, juin 1983, france, p132-1933. Décolonisation française et britannique 28 u. E. R. P, op. Cit, conséquences de la guerre , p28
Sary 12 rakotomalala jocelyn aime loharano rasahondranimaro thérèse
Ny rima feno moa dia izay ahitana tamberim-pitoviana miatomboka eo amin’ny zava-peo mingadona farany makany aoriana.
Fehiny nodinihina nandritra ny fanadihadiana ny fotoana nisehoan’ny tantara, ny fotoana faharetan’ny tantara ary ny fifandraisan’ny toe-javatra tantaraina sy ny fizotry ny fotoana.
Ny f taovana 300.000ar
Araka ny tantara mipetraka dia tanànan’andriana ny tanànan’andramasina. Ny andriana vavy nantsoina hoe ralanimboahangy, zanakavavin’ny mpanjaka atao hoe andriandanitramantany no napetrak’ity farany handimby azy. Koa satria tsara tarehy ny mpanjakavavy, dia notsiriritin’ny mpanjaka maro. Lasa vadin’andriamasinavalona mpanjakan’ambohimangaralanimboahangy ary voalaza fa tiany indrindra tamin’ireo vadiny roa ambin’ny folo. Tsy niteraka anefa ralanimboahangy ka nananganan’andriamasinavalona zanakalahy natao hoe andriantsoly mba handimby azy; satria tokoa ny andriana tsy maty momba dia nomen-dreniny anarana hoe ramasina izy ka nanjaka tamin’ny faritra avo rehetra eran’ny fanjakana.
Fony manitra ny raozy, ka namony ny kingatsa voronkely sy ny lolo no indray mivatsavatsa
Nanary dia nitsinjo ny vodilanitra nimaona nangorona ny lamba miahy, fa efa akaiky hilatsaka ny oram-be. Mainty sy midina ambany izao ny rahona. V. A. Tak11 ? Ratsy ny andro, madiva hilatsaka ny orana
Ary farany, araka ny nambara ny lehilahy vahiny no manatrika ny fifanantsafana amin’ny fahafatesa. Noho izany, anjaran’ny lehilahy no mampita ny vaovao any amin’ny vadiny, zanany, zafiny ohatra. Am-bava avokoa no ampitana izany. Tsy misy taratasy na fampilazana amin’ny onjam-peo sy fahitalavitra na gazety tahaka ny fahita aty an-drenivohitra saingy haingana dia haingana ny fiparitahan’ny vaovao satria izay manam-baovao no mizara izany amin’ny hafa. Izay lafin-javatra izay no anisan’ny fahaiza-miaina ananan’ity fiarahamonina ity. Hoy ny ampanjaka andriamasinarivo raha nanontanianay mahakasika ny lanjan’ny fifanantsafana amin’ny ankapobeny raha tsy nisy ny fifanantsafana dia mitovy amin’ny fifandraisan’ny biby ny fifandraisan’ny olombelona tsy mifankatia, mifandramatra miady raha vao mifankahita. 181 noho izany, lahabolana maneho fahaza-miainan’ny antanala ny fifanantsafana. Ny fifanantsafana amin’ny fahafatesana no endrika fanoherana ny toe-javatra manjavozavo eo amin’ny fiarahamonina. Zavatra marim-pototra no tsy maintsy ambara amin’ny olona satria izany no ilain’ny vahoaka. Mba hialàna amin’ny ahiahy na fanitarana no mahatonga azy hamantatra ny marina.182 amin’ny alalan’ny serasera no ipoiran’izany, satria ny olona tsy mpiserasera tsy hahafantatra ny marina, tsy mahara-baovao. Noho izany, io seho an- tsehatra io no lasa ivon’ny fampahalalam-baovao ary zava-dehibe tokoa eo amin’ny fiarahamonina miavaka183 tahaka ny ao ampiringalava. 1.2. Lteratiora am-bava manasongadina ny rafitry ny fiarahamonina
Tina fa inona no mahataitra anao e?
Manamarina izany indrindra i boiteau manao hoe mba hanoherana ny tsy rariny teo amin’ny lafiny kolontsaina dia nanana anjara asa goavana ny literatiora malagasy ka anisany nisantantra izany ny tononkalo nataon’ny avana ramanantoanina.147
Marihina fa ny fampitahana teny maanjan teny malagasy dia notakarina tamin’ny sy ny fampitahana nataon’i o. C. Dahl ao amin’ny malagache et maanjan , ny fampitahana ny teny swahili teny malagasy dia vokatry ny famintinana ny asa fikarohan- drasolonirina florette5 fa ny fifamaliana teny ondonezianina teny malagasy dia vokatry ny famintinana ny fifamaliam-peo ato amin’ity asanay ity. Feon-teny tokana hatrany no raisina amin’ireo teny enti-nampitaha ny teny malagasy fa izay feon-teny malagasy tafiditra amin’izany fifamalima-peo izany kosa dia ezahina horaisina daholo.
Avy eo, nasiana teny koa ny mombamomba ny onn izay isan’ny tetika asa manatanteraka ny andraikiny ao amin’io kaomina io. Nasongadina tamin’izany ny antom-pijoroany izay mifototra indrindra tamin’ny famahàna izao olana goavana atrehin’i madagasikara izao dia ny fahantrana. Raha samy nanana ny lalany ny tsirairay hoenti-mamaha ny olana, ny onn dia nifidy ny homba any amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ary endrika tohin’ny pnn izy amin’izany. Maro ny tanjona napetrany tamin’izany, misy ny efa tratra, misy ny fohy ezaka hatramin’ny taona 2010 ary misy ny tena lavitra ezaka. Tsy mikely soroka tokoa izy ireo manao izay hahatanteraka izany, ary porofon’izany dia efa nisy ny zava-bita. Ary mba hamitany izay mbola hotratrarina dia maro ny sehatra ivelarany sy iasany ; ny sakafo rahateo mahafaoka be ; izay miisa hatramin’ny 14. Birao mpandrindra ny onn fa tsy miasa ifotony akory ; izy no mandamina ireo asa rehetra momba ny tsy fahampian-tsakafo sy ny tsy fanjarian- tsakafo eto madagasikara ary manana ny seecaline, himo, creni rantsa- mangaika any ifotony izy manatanteraka ny asany mivantana. Ny seecaline miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eny anivon’ny fiarahamonina, ny creni miandraikitra ny zaza sy ny reny ary ny himo kosa no miantoka ifotony ny fampanjariana ireo foto- drafitra asa rehetra mifandraika amin’ny sakafo. Samy manana ny fomba fiasany sy ny firafiny anaty izy ireo. Ary farany, tao amin’ny fizarana fahatelo no nampifandray azy roa ireo ny fiantraikan’ny asan’ny onn amin’ny kaominina manjakandriana eo amin’ny lafiny sakafo, indrindra ny vary no nasiana teny betsaka teto kosa. Alohan’ny tena nahafantarana tsara ny momba io fiheverana io anefa dia nilaina ihany ny nahafantatra hoe ahoana marina moa io fiheverana io sy ny niainan’ny olona azy fahizay mba hahazoa-mampitaha azy amin’ny ankehitriny. Ary, hita teo fa ny ampahany faran’izay kely sisa no tavela, saingy fahazarana no namefy ny olona hihinam-bary, ny fahazarana, anefa dia isan’ny maha-olona ny olona ka niezahany nomena hevitra fotsiny araka izay tao an-dohany ny maro. Tsy midika izany, fa very hasina teo amin’izy ireo ny vary, porofo mbola maharary azy ny tsy mihinam-bary. Rehefa izany, nahita ny tetika asa, fa ny androatokon’ny sakafon’ny malagasy dia vary daholo, tsy mahasalama loatra, tsy ampy otrika aina, ary dia nasehony teo kosa ny sakafo mahasalama sy ampy otrika aina mba hitaha aminy.