text
stringlengths
10
11k
Zafinandrasana n. M. F. ,
Tats-unis 5 000 000 suède 94 000 australie 1 000 000 mexique 75 000 canada 680 000 chili 70 000 allemagne 660 000 bénélux 67 000 brésil 180 000 italie 32 000
Analyse des taux d’abandons et accès pendant et à la fin des années scolaires par rapport aux résultats d’antanety i, les résultats obtenus auprès de l’epp anosy avaratra entre 2013- 2014 montrent que le nombre des élèves a diminué de 2 individus un accès pour les garçons et trois abandons pour les filles. Dans l’année scolaire 2014-2015, 1 garçon a quitté l’école. Pareillement pour l’année scolaire 2015- 2016 qui indique 5 abandons dont 4 garçons et 1 fille. De même, l’année scolaire 2016-2017 est marquée par l’abandon de 7 garçons et 3 filles. Enfin, au cours de la dernière année scolaire, 3 élèves, tous des garçons ont quitté l’établissement. Bref, l’analyse descriptive de ce tableau indique qu’entre 2013 et 2018 le nombre d’abandons dans l’école n’a pas progressé puisque cela reste à présent 3 individus. Toutefois, l’année scolaire 2016-2017 est la plus alarmante avec 10 abandons au cours d’une année scolaire.
Nivoaka tamin’io vanim- môdely
Arakaraka ny mpamaky no isafidianan ny mpanoratra izay hosoratany. Noho izany, ny asa vokarin ny saina rehetra dia tokony hirakitra ny sarin ny mpamaky izay nanaovana azy. 132, hoy i j. P. Sartre. Mikendry sokajin olona maro ny mpanoratra amin ity boky ity ny ray aman-dreny, ny zanaka, ny mpianatra, ny mpiasam-panjakana, ny mpino kristianina sy ny mpino ny hery hafa heverina fa mitondra soa, na ratsy ho an ny olombelona mahazo anatra ao avokoa ireo rehetra ireo.
Freinet, cité par ipam, op cit, p 53 ’’ de la perfection de la discipline naîtra la perfection du travail’’.
Fifaninanana eo amin’ny fifantohana sy ny fahalianana hita àry fa ny fahalianana dia fahafahana manangona vaovao maro sy isan-karazany izay voarain’ny vavahadin-tsaina. Ny fifantohana indray kosa dia famerana ny fandraisana izany vaovao mahaliana izany. Tsy mitovy araka izany ny fomba fiasan’izy roa ireo satria amin’ny fahalianana dia ezahina izay hahabetsaka ny vaovao voaray. Ny mifanohitra amin’izany anefa no hita amin’ny fifantohana satria dia ezahina araka izay azo atao izay hahavitsy izany. Mba hananana fifantohana tsara ao am-panatanterahana ny asa àry dia ezahina izay hahakely ny vaovao voaray mba hahafahana manompana ny saina amin-javatra
Fizarana 54 alahahady, 04 jolay 2010; lah 3678 tratran-drahary ihany ny fotoana tokony hanefana an’ilay trosa. Akory anefa ny hagagany raha tonga teo amin’ny tranon’ingahy mpampanjana-bola izy fa varavarana mihidy no novantaniny. Nandondòna ela teo izy saingy tsy nisy namoha! Niandry nandritra ny ora iray mahery izy sao mba ho avy eo ihany ny tompon-trano, kanefa tsy nisy olona tonga, ka dia nanapa-kevitra ny hody izy fa rahampitso vao maraina no hiverina. Vao maraina tokoa dia efa nigadona teo am-baravaran’ilay mpampanjana-bola indray rahary. Ny tompon-trano aza mbola tsy nifoha teo am-pandriana tamin’io fotoana io ahoana ny anao izay, ramatoa? Hoy ingahy mpampanjana-bola toa mody tsy nahatadidy azy tonga hanatitra an’ilay vola nosamboriko taminao aho, tompoko, hoy rahary hay! Andraso àry hojerentsika ny boky, hoy ilay rangahy sady nanokatra kahie iray feno anaran’olona sy daty samihafa izy. Namadibadika elaela teo ilay rangahy vao mody taitra ity ve ny anaranao? Hoy izy nanondro ny anaran-drahary tao anatin’ilay kahie eny tompoko, hoy rahary. Nikentrona mafy ilay rangahy nijery azy vao niteny hoe omaly ny fe-potoana farany tokony ho nandoavanao an’io vola io eny, tompoko, hoy rahary, saingy efa tonga teto aho omaly fa tsy tato ianao manahirana ity raharaha ity, hoy ilay rangahy toy tsy naheno ny fanazavan-drahary akory. Tena manahirana ity! Ka tsy fahadisoako ange, tompoko, ny tsy nahaloavako azy omaly fa ianao no tsy teto e, hoy rahary mbola nanamafy ny fanazavany ihany tsy miankina amin’izany izy ity, hoy ilay rangahy, fa olona manara-dalàna isika, ka izay voasoratra sy voasonia ato dia tsy maintsy hampiharina. Omaly no fe-potoana farany, ka rehefa tsy voaloa omaly ilay vola dia tsy afaka ny handray azy intsony aho. Taitra mafy sady ketraka rahary raha nandre an’izany! Toa nihodina taminy mihitsy ny tany aman-danitra! Izany hoe ny dikan’ny teninao ve dia halainao ny antoka? Hoy ny feon-drahary nangovitra mazava ho azy izany satria tsy nahefa ny trosanao ara-potoana ianao, hoy ilay rangahy tsy rototra akory tsy manaiky an’izany aho! Hoy rahary sendaotra. Tsy avy amiko ny fahadisoana ka nahoana no halainao ny antoka? Izay voasoratra dia voasoratra, hoy ilay rangahy. Samy olon-dehibe isika no niara-nanao sonia sy nifanaraka teto ka rehefa tsy tanteraka araka ny fe-potoana ny fandoavana ny trosa dia tsy misy afa-tsy ny fitazonana ny antoka sisa no azo atao. Nigogogogo nitomany rahary fa tsy tanany intsony ny ranomasony! Fantany fa tratran’ny am-pitaka sy ny hevi-petsin’ilay mpampanjana-bola izy! Hitohy
Problèmes sur le plan technique ils s’exposent sous ces trois aspects l’existence des matériels non appropriés, l’absence de technique d’approvisionnement bien appropriée, le manque de formation.
Mitandrema ! Hafa-joky
Raha nibanjina ahy mangina ny masonao malefaka omaly tolakandro iny dia noheveriko mihitsy fa tena ahy irery ireo tara-betsovetso nasehon’ilay fijery nalefaka fitopy kinanjo ankehitriny vao tena mahatsapa fa izay mijery azy dia mihevitra avokoa fa azy ilay fijery
Satrasatra manatrasatra
Fa na dia eo aza ny fahasalamana sy ny fanabeazana, raha tsy misy fandriampahalemana dia mbola sarotra ny lafiny fiarahamonina. Manao ahoana kosa indray ary ny lafiny fandriampahalemana amin’iny faritra iny?
Teny fampidirana tsy mitovy ny asa fikarohana ho famaranana ny fianarana eo amin ny fanofanana mpampianatra sy ny fanofanana ho mpikaroka. Iry voalohany dia mifototra kokoa amin ny trangam-pampianarana natrehina nandritra ny fizarana asa nataon ny mpampianatra. Izany indrindra no nahatonga izao asa fikarohana izao manodidina ny tontolon ny fifandraisana misy eo amin ny mpampianatra sy ny mpianatra mandritra ny fampianarana.
Tableaux 2 les groupes socio-professionnels animés et sensibilisés dans le cadre des actions sociales en accompagnement des travaux routiers dans les trois zones zone i toamasina urbain
Rakibolana malagasy, ambozontany, analamahitsy antananarivo, 1061 tak
Fa esory amin’ny fetsy ireo nangalariny
Raha atao izany ny kajikajy, dia lavalava kokoa ny vanim-potoana havaratana raha mitaha amin’ny vanim-potoana hasotry satria dia 8 volana no iainan’ny mponina ny havaratana raha 4 volana kosa ny hasotry izany hoe miaina ao anaty fahantrana amin’ny ankapobeny ny mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra andranovorivato mandritra ny taona .
Efa fotsy ny volo vao nahatadidy fa hay 80 raha tahiny mateza vetivety mihelina fiaina-mangidy mageja mijaly, na kely na ngeza? 201 nisarika ny sain’ny mpamaky eto ny mpanoratra handinika ny amin’ny fiainana eto an-tany. Tsy ho variana amin-java-mandalo sy ny fandehanana amin’ny tsy tokony hatao na ny lalan-dratrsy, na koa ny fitadiavana ny mahafinaritra fotsiny, fa hikatsaka ny soa sy hieritreritra ny ho avy ara-panahy indrindra indrindra. Hita eto ny maha-mpanoratra an’i nasolo. Maneho izany ny fampiasany ireo sarinteny hafa sisa. Tsy vitsy koa ireo karazan-tsarinteny nampiasainy hampijoroana ny tononkalony. Tsapa fa miavaka amin’ny andavanandro ny fomba nanehoany ny heviny. Izany no mahatonga ireny asa soratra ireny niangaliana, satria, tsy natao ho an’ny mpanoratra irery intsony ny asa soratra rehefa nambarany tamin’ny andalan-tsoratra, fa efa lasa ho an’ny olona rehetra.
Aoriana, nanomboka nampihatra moramora ny maha ambony azy teo amin’ireo eveka hafa ny evekan i rôma, ary nanambara am-pahibemaso fa izy irery no dimbin i masindahy piera. Ny ankamaroan’ireo evekan ny fiangonana dia samy nanaiky ny maha voalohany ara-panajana an i rôma, saingy tsy neken’izy ireo kosa ny fanambaran ny evekan i rôma ho lohan ny fiangonana eto ambonin ny tany. Ny fiakaran’ny fahefan’ny papa dia nanjary antony lehibe nahatonga ny fisarahan’ny fiangonana rômana sy ireo rehetra niangona manodidina azy tamin ny fiangonana ôrtôdôksa. Araka izany dia nitsangana ny papa ary nanana fahefana mihoa-pampana, raha ny fijerin ny ôrtôdôksa. Hany ka izay rehetra ambaran ny papa dia ekena ary heverina fa marina avokoa. Vokatr izany dia nanana fahefana betsaka ary tsy azo tohaina ny papa. Manaporofo izany ny fankalazana ny andro niakaran’i maria renin’i jesoa isaky ny 15 aogositra. Ny papa pie xii tamin’ny 01 novambra 1950 no nanapaka an’io daty io ka dia notanterahin’ny mpino katôlika mandraka ankehitriny. Fa hoy indrindra izy tao amin ny lalàm-panorenana apôstôlika izay antsoina hoe munificentissimus deus du pape pie xii amin’ny alalan’i jesoa kristy tompo, sy ny apôstôly piera sy paoly, ary ny fahefana anananay, no hanambaranay, sy ilazanay ary anamarihanay eto fa i masina maria virijiny renin’andriamanitra, rehefa tapitra ny andro niainany teto an-tany dia niakatra vatana sy fanahy ho voninahitry ny lanitra. 21
Le contrôle interne concourt à la réalisation d’un objectif général que l’on peut décliner en objectifs spécifiques. Cet objectif général est la continuité de l’entreprise dans le cadre de la réalisation des buts poursuivis.
Ny olombelona dia tsy tahaka ny biby ka mandeha baranahana fa miaina kosa ao anaty fiarahamonina; koa rehefa miaina ao anaty fiarahamonina dia maro ihany koa ny zavatra tsy maintsy tandrovana sy tsy maintsy hajaina. Etsy andanin’izany ny olombelona dia tsy natao hitovy nefa natao hiara-monina, ka izany tsy fitoviana izany no mahatonga ny fanabeazana ao anaty fiarahamonina. Maro ny antony mahatonga izany eo ny tsy fitovian’ny fanabeazana nomena ny tsirairay noho ny fotoana, na ny sehatra nanomezana azy, eo ihany koa ny minia mandika ny fitsipi-pifehezan’ny fiarahamonina, nefa na dia eo aza izany tsy fitoviana izany dia tsy natao hampisara-bazana fa tsy maintsy misy hatrany ny fepetra raisin’ny fiarahamonina sy ny fanabeazana ny olona ao aminy mba hampiorina sy hampirindra tsara ny fiarahamonina, ary hoy ity mpandinika iray raha milaza izany foto-pisainana iraisam- pirenena ny fahafantarana fa tsy misy firenena afaka hivelona am-pilaminana ka tsy manan- javatra hajaina sy atahorana, ka avy amin’izany zavatra hajaina sy atahorana izany no nahatonga ny fitsipim-boninahitra tamin’ny tandrefana, ny didy folo teo amin’ny jiosy ary ny tsiny sy ny tody teo amin’ny malagasy. Raha eto amin’ity toerana ity no jerena dia hita aloha fa tratra ny tanjona satria mbola hita ny fifanajana ary fifampitokisana, misy ny fifampifehezan’ny mpiara-belona dia ny dinan’i melaky tsy mimpoly izay mbola hohazavaina any amin’ny fizarana faharoa raha eo amin’ny sehatra fiombonana no jerena dia azo lazaina fa miombona tanteraka ny olona na amin’ny fahoriana izany na an-kafaliana; azo raisina ohatra amin’izany, raha misy manjo dia hita fa tsy dia mafy ho an’ny tompo-manjo izany satria izay zavatra lany nandritra ny fiandrasana ny razana dia ny fokonolona avokoa no miantoka izany, efa misy koa dinam-pokonolona mifehy izany. Fa an-kafaliana kosa no hita fa mihena kely izany fanampian’ny fokonolona izany ary tsy voarakitra ao anaty dina ny fanabeazana an-tsekoly
Afangaron’ny mpanoratra ny rima mifanjohy sy rima mifaningotra mba hanehoany ny toe-javatra mifamadibadika eo amin’ny fiainana. Entina manaporofo izany ny tononkalony mitondra ny lohateny hoe lany andro ve? Tk.24 , ao amin’ny andininy voalohany sy faharoa taona maro lasa izay no tsy nahitana anao a f’efa lasana ho vovoka sy niraraka ho tany b ireny hafatrao kosa voatahiry hatramin’izao a na dialasana aza ianao, lasana namela mamy b
Misy karazany roa ny tsofoka amin ny teny malagasy dia ny tsofoka fanatevenana fototeny sy ny tsofoka fanatevenana tsirinteny tovona toy ny man mipetraka eo anelanelan ny m vakiny miova sy ny zanapeo ny tovona fanatevenana tsirinteny. Misy efatra izy ireo if-, amp -, ifamp-, ampif- ny tsofoka fanatevenana fototeny dia mipetraka eo anelanelan ny renifeo voalohany sy ny zanapeo manaraka azy; misy maro izy ireo fa ireto no miseho matetika ka nahitanay olana om-, in-, ol-, il-, an-, or-, ar-,
Olona valo isaky ny faritra no notendrena ho vondrona iray ary olona avy amin’ilay toerana sy mpikambana ao amin’ny pcddba izany. Ankoatra ny fanaraha-maso ataony, nomena fahefana ihany koa ireo hitantana ny ranomasina amin’ny faritra misy azy avy198. Nomena karatra ny mpanjono tsirairay avy mba hahafahan’izy ireo manara-maso ny asa fanjonoana. Ny karatra no ahafantarana fa mpanjono ara-dalàna izy. Voaisy tombokin’ny filohan’ny fokontany any an-toerana izany karatra izany ary tsy mahazo alalana hanjono izay tsy manana an’io karatra io. Ankoatra izany, nanangana dina ny fikambanana mba hanoherana ny fampiasana ny ramikaoko izay tena olana. Dinam-pokonolona izay dina nampiharin’ny voi any amin’ny faritra iadidian’ny tsirairay avy. Na teo aza izany, tsy nahavaha ny olana, ireo fepetra ireo fa mbola mitohy ihany ny fampiasana ny ramikaoko. Izany indrindra no nahatonga ny ministeran’ny jono niditra antsehatra tamin’ny alalan’ny tetikasa zac199 tamin’ny taona 2006; ka ny tompon’andraikitra tao anatin’izany tetikasa izany no niara-niasa tamin’ireo mpanjono tato amin’ny faritr’i maroantsetra mba hamahana ny olana vokatry ny fampiasana ny ramikaoko. Iii-2-4-1- ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpanjono sy ny mpanao ny tetikasa zac niara-niasa tamin’ny fikambanana mpanjono pcddba ny mpiandraikitry ny tetikasa zac ny taona 2006. Naharitra iray taona ny fiaraha-miasa, izany hoe 2006 ka hatramin’ny 2007. Hanafoanana ny fampiasana ny ramikaoko no tanjona. Niainga tamin’ny fanadihadiana ireo mpanjono ny fomba fiasa. Nojerena tamin’izany ny karazana fitaovana ampiasain’ny mpanjono tsirairay. Ny valin’ny fanadihadiana no nahitana fa mpanjono 25 no fantatra fa mampiasa ny harato ramikaoko. Nanatona ireo vondronolona ireo ny tompon’andraikitra ao amin’ny pcddba sy ny tetikasa zac ka nifampiresaka taminy. Nesorina tamin’ireo ny ramikaoko ka nosoloana harato manara-penitra 1kg ary 5 tondro ireo ramikaoko nampiasain’ireo mpanjono ireo. Izany hoe nomena harato ara-dalàna tsirairay avy izy 25 nampiasa ramikaoko. Namatsy ireo fitaovana ireo ny tetikasa zac mba hamahana ny olana eo amin’ny sehatry ny jono. Noraisin’ireo olona ireo ny harato izay nomena azy ary nampiasainy.
Fokontany tanana tafo km
Le particulier, créer et gérer une association , paris, 1901 p.74
Raivo ianareo no nanao ny fifanarahana ka inona no idirako amin’izany. Ary iza koa izany tovolahy mahafatifaty anareo izany?
Fisento ngômangôma vondraka fitia
Ny isan’ny olona epp mihinana vary indray isanandro indroa isanandro intelo isanandro mpianatra tsy tonga betambatra 03 21 67 16 fieferana 17 258 68 29 ambohiborimanga 65 99 12 18
Azo lazaina ho nisy akony goavana teo amin’ny vahoaka malagasy sy teo amin’ny fiainam-pirenena mihitsy aza ny zava-nisy ara-kolontsaina tamin’ity
Noro ! Henoy aho!
Voninkazo iray tana-mifandray
Aux évêques
Ny vokatry ny fahafatesana eo amin’ny nandao
Hita amin’ireo toerana samihafa nampiasain’ny mpanoratra, fa tsy vahiny eto amin’ny faritra antananarivo sy ny manodidina izy. Misy ifandraisany betsaka amin’ny tantaram-piainany izany. Nampiasany betsaka, ohatra, ny toerana manodidina an’i
Nianatra momba ny drainy
Esther rasoloarimalala randriamamonjy, ho avy ny maraina, tak 13
L3 ndeha àry atao hoe marina ny anao tamin’iny. D’ tombana fileferan’ilezoma manoloana ny hevitry ratovo.
Ravoajanahary ch , tantaran’ny haisoratra, 1896- 1915 , sampana teny sy haisoratra malagasy, 1975, t. 2,
Ankoatra ireto voasokajy ireto dia maro ny tsofoka amin ny fototeny na izy amin ny teny fanao matoanteny na izy amin ireo anarana sy mpamari-toetra. Nojerena miaraka ao anatin ireo karazana fototeny izy ireo; fa tsy nosokajina araka ny karazana fototeny intsony. Tsy ny teny rehetra misy tsofoka ireo na ny azo asiana tsofoka fa ampahany ihany anefa ireo.
Isan’ny mpiadina
Ny lahateny ataon’ny mpiteny manoloana ity karazan’olona resen-dahatra ity dia tsy natao ho an’olona tokana na sokajin’olona voafantina fa nokendrena hitodika amin’ny olona na sokajin’olona maro samy hafa fa ny tanjona kosa dia tokana ihany. Manamarina izany ity ohatra ity fanentanana ny olona hanao fandrindram-piterahana na hampiasa fanabeazana aizana hita amin’ny doka samihafa. Ny renim-pianakaviana no kendrena voalohany amin’izany. Tsy izy ireo ihany anefa fa voakasik’izany fa ny raim-pianakaviana, ny zatovolahy sy ny zatovovavy mbola tsy manambady ihany koa mba hisorohana ny vohoka aloha loatra na tsy irina. Tsy mitovy hevitra sy fomba fisainana anefa ireo sokajin’olona iantefan’ny hafatra ireo saingy mahakasika azy ireo tsirairay avy ny
Regis rajemisa raolison, 2003, rakibolana malagasy, p 1061 21 dikan-teny malalaka nataonay araka ny hita in dictionnaire encyclopédique 2012 l’apprentissage est un processus systématique pour l’acquisition d’un comportement nouveau ou une formation donnée à un apprenti, un faire savoir à l’apprenant 22 dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i reboul o , 1995, l’apprentissage consiste à acquérir ou à modifier une représentation d’un environnement de façon à permettre avec celuici des interactions efficaces ou de plus en plus efficaces p. 126
Ny atao hoe maneho fotoana dia mametraka toe-javatra iray eo amin’ny tezan’ny fotoana miolotra amin’ny teboka iaingana f 53 raha ny mpilaza fotoana deikitika no hasian-teny dia miolotra hatrany amin’ny fotoana itenenana ny famerana ny fotoana itrangan’ny toe-javatra resahina, izany hoe ny fotoana isehoan’ny fanambarana no raisina ho teboka iaingana 54. Ny fampifandraisana ny toe-javatra amin’ny fotoana sy ny fametrahana azy amin’ny fotoana iray mety ho voafaritra mazava na tsia araka izany no ahazoana manamarina ny fisiany sy mahamarim-pototra ny votoatiny satria mety hifanaraka amin’ny zava-misy sy ny rivotra mitsoka isaky ny vanim-potoana mifandimby ny votoatin-kafatra.
Kinanjo re, rankizy tsitapitapitr’iny nihoraka izaitsizy ny vorona vahiny !
Hatraiza hatraiza koa dradraina ny teny hoe fivoarantsaina ady amin’ny habadoana sy fahaiza-miala voly ! Ampianaro ireo ankizy hankamamy ny sekoly ! Nefa aiza? Ampy ve izay ilaina. Handrosoan’izy ireny hahalalany ny abidia, ny soratra sy vakiteny, hitomboan’ny fahaizany, hivelarany tokoa ? Efa maro angamba, eny ireo sekoly etsy sy eroa nefa indrisy fa mazàna. Hitanao miharihary fa tsy ampy izay ilaina. Tsirambina. Tsizarizary ! H. A, fiz ii
Régis debray, critique de la raison politique, gallimard, 1981.
Bontolo, bobongolo
Randriamamonjy fréderic, tantaran’i madagasikara isam-paritra, p.449
Source salfa ambohibao
Miditra ny tokantrano ny aretina mafy mikopakopak’elatra mandositra ny hehy sy ny haravoana. Mamelovelo ny fanahy hitadidy ny ora nisian’ireny fiadanana ireny, ary manjombona ny saina mandinika ity aretina mitokona eto an- joron-trano. Jerena ny endriny, ka toa fasana mivoha. Toa ranomaso. Mikentrona ny handrina, mivoa-dinitra ny tava. Misy tafio-drivotra ao anaty, ka taterina avokoa amin’ny sento, fa mila hahasafotra. Avy ny orana. Reraka ny saina. Kanjo ka, toy ny famonjin’ny rahona fierena tsy fantatra, amin’ny harivam-pahavaratra mialoha ny alina hamiratan’ny kintana, no nialan’ny aretina. Nody ny ain’ilay marary. Hafaliana re izany mikorana ny fo. Dia indreny tsinjo manakopak’elatra manatona indray ny hehy. Avy ny orana nefa niato ihany.
Andrianary ratianarivo, dokotera x rakoto de montplaisir, 1934.
Na izany aza anefa ny anjara toerana ananan’ny sekoly eo amin’ny fiainana ankapobeny dia mbola misy foana ny karazana tsy fahombiazana hita eny anivony. Tsikaritra tokoa fa anisan’ny mitarika ny mpianatra iray amin’ny tsy fahombiazana ny olana samihafa izay mitranga eo anivon’ny sekoly sy ny fiarahamonina ankapobeny. Io toe-javatra io no anisan’ny nanitikitika ny sainay ka nahatonga anay hametraka ny fanontaniana hoe midika inona ho an’ny olona eo amin’ny fiarahamonina moa ny hoe olona nianatra, olona manam-pahaizana? Antony lehibe iray nahatonga anay hisafidy ity lohahevitra ity manao hoe ny iainan’ny mpianatra isam-paritra ny sekoly ambaratonga faharoa araka ny iainan’ny mpianatra kilasy faharoa azy ao amin’ny lisea mahitsy. Fa nahoana tokoa no ny sekoly ambaratonga faharoa no niantefan’ny safidy tamin’ny fanadihadiana nataonay? Nosafidianay ny sekoly ambaratonga faharoa satria hitanay fa manana ny anjara toerana lehibe izany eto amintsika eto madagasikara. Heverina fa raha tsy misy finiavana lehibe nananan’ny sokajin’olona maro ray aman-dreny, mpianatra, mpampianatra tsy tonga eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa ny zaza malagasy iray. Etsy ankilany, mbola maro ireo kaominina eto no tsy manana sekoly ambaratonga faharoa. Hany ka voatery mandeha lavitra na mifindra fonenana mihitsy ny mpianatra raha te hanohy ny fianarany. Matetika aza, ny lisea no ambaratongam-pianarana ambony indrindra any amin’ireo distrika sasany any ambanivohitra. Araka izany heverina fa efa nandranto fianarana ambony ny mpianatra iray rehefa tonga eny amin’ny ambaratonga faharoa. Ankoatra izay dia maro amin’ireo mpianatra no miditra eo amin’ny sehatry ny asa rehefa nahavita io ambaratonga io. Noho izany, ambaratonga iray manana ny maha izy azy io sehatra iray io. Ny kilasy faharoa no nodinihina manokana satria mpianatra vaovao izy ireo eny anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa. Azo lazaina fa mbola manavao ny toerana izy ireo noho izany. Tsy azo lavina ihany koa fa mpianatra avy amin’ny sekoly samihafa izy ireo teo aloha no lasa mpiara- mianatra. Mahaliana araka izany ny hijery ny fampiarahamonina misy eo amin’ireo mpianatra ireo. Efa maro ireo asa fikarohana vita raha ny momba ny fanabeazana sy fampianarana eto madagasikara no asian-teny, indrindra ny momba ny fanabeazana sy ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra. Anisan’izany ny boky fampianarana ny teny reny any amin’ny sekoly ambaratonga fototra eto madagasikara 7 notohanan’ny unesco, izay mampiseho ny olana mitranga ateraky ny fampiasana ny teny ôfisialy roa teny frantsay sy teny malagasy ôfisialy ho teny enti-mampianatra eto madagasikara. Ho an’ny mpianatra eto afovoan-tany, afaka manosika azy ny fampiasana ny teny ôfisialy roa hatrany amin’ny ambaratonga faharoa na mihoatra noho izany satria ny teny sy ny firafitry ny teny ampiasaina ao an-toerana no saika nananganana ny teny malagasy ôfisialy. Ireo mpianatra avy any anindran-tany kosa dia misedra olana satria ny tenim-paritra no nampiasainy raha vao nianatra niteny izy ireo ary ifaneraseran’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Ny teny malagasy ôfisialy sy ny teny frantsay kosa dia any an-tsekoly mihitsy vao manomboka mianatra izany. Nisy ihany koa ny boky ny fanabeazana eto madagasikara. Jery todika amin’ny rafi-pampianarana ho an’ny ho avy mamirapiratra 8 izay mampiseho ny rafi-pampianarana nisy teto madagasikara hatramin’ny nisian’ny sekoly voalohany teto ka mandraka ankehitriny. Ao anatin’izany, ireo mpikaroka dia miezaka mitondra vahaolana mba hanatsarana izany rafi-pampianarana izany. Ambarany fa mila ampahafantarina miainga any amin’ny tsirairay ka hatrany amin’ny mpitondra ny lanjan’ny fanabeazana sy ny fampianarana ka ny fanatanterahana ireo nofinofy dia miainga amin’ny fampitomboana ny fahaizana.
Ny vintana
Andrianiaina p ny fiheveran’ny lisy hary ny fitiavana tarafina ao amin’ny sombin-tantara nosoratany tao amin’ny gazety maresaka. Mémoire de capen. E. N. S. Antananarivo. 1993
Ndao ’zay ’sika dahy hivany handranitra ireo mavàny mba ko izy hahazo saina, tsy intsony hokarakaraina ny mainty ngazana ao am-pony efa mankalonilony am-piheveran-tena ho ambony ! ’ndao’ zay koa e ! Sika dahy hampaningotra fanahy hampiray anaty nofy mba ho lavitry ny rofy reo rehetra tsy matory nefa tsy mahita akory ’reo koa mantsy tena ory !
Fa tiako ianao rahavako hihiratra masoandro.
Vola re izao! Tena ho ronono matavy tsara kosa aloha no ho ody am-bavafon’i dadabe isa-maraina any an-tanindrazana any amin’ireto vatsy miavosa natolotr’ireo manam- panahy.
Ny fanangonana ny akora rehefa manangona akora amin ny fikarohana antrôpôlôjika dia mila mirotsaka an-tsehatra. Hoy indrindra i e. Evans-pritchard ny antrôpôlôgy dia tsy maintsy vonona handany fotoana lava mandritra ny fotoana irotsahany an-tsehatra ; tsy maintsy mifandray akaiky sy maharitra miaraka amin ny mponina izay iasany izy 17 noho izahay efa nonina ela teo amin ny 67 ha anefa dia nandritra ny telo volana teo no nanaovana io firotsahana an-tsehatra io, ka ny natao tamin izany dia ny firesahana tamin ny olona, tamin ireo fianakaviana nifotorana ary ny fanatonana ny biraom- panjakana mahefa teo an-toerana. Raha izay àry ny amin ny fanatontosana ny asa fikarohana izay niresahantsika ny fanangonana tahirin-kevitra sy ny fanangonana ny akora fa horesahintsika amin ny manaraka izao ny amin ny petraka olana sy ny petraka hevitra.
Toetra samy hafa no atambatra ho iray amin’ny alalan’ny fanambadiana. Izany indrindra no mahatonga ny mpikabary am-panambadiana hanafatrafatra tsara ny amin’ny fifampitondrana ao an-tokantrano. Ambetin-teniny ohatra ny hoe ny fanambadiana toy ny tenon-jiafotsy, ka vao tsy hialan-kasokasoka, tonta tsy hialan- dromoromo, ka tsy hahalala ianao hoe ny hisavorovoroan-kilantoana, ny tsy miady olom-bodo, fa ny to fo mpamosavy azo lazaina ho fototry ny faharavam-pitiavana ny fizarana azy amin’ny hafa, sy ny tsy fikolokoloana azy.
Ny vady sy ny zanaka ny ray sy reny koa ny iraitampo indreo mangahiahy.
Fehin’ny mpilaza toerana deikitika ny mpilaza toerana deikitika no entin’ny mpiteny mitanisa zavatra na toerana eo amin’ny habaka mba hampinoana ny itenenana. Rehefa novahavahana teo ny deikitika izay singa mandrafitra ny serasera mandresy lahatra dia hodinihina manaraka kosa ireo
Raha hanomboka hiasa koa, ka nifamotoana tamin’ingahy aziz, i tsiry sy i meja dia tonga tamin ny ora voatondro izahay 155 hoy izy. Maneho ny fahasahiana sahady sy ny fahavononany hiasa izany fanajany ny fotoana nifanaovana izany. Toy izany koa ny boky onjam-pilafila raha miresaka mikasika ny fotoana sy ny fanajana ora. Asehon’ny mpanoratra ao ny endriky ny hazakazaka niainan’ny mpiasan’ny orinasa afaka haba momba io fotoana io mpiasa mizotra maraina, fehezin ny amin ny 7 ora sy sasany 156. Amin’ny atoandro kosa, rehefa hisakafo dia mihazakazaka satria voafetra ny fotoana 157 nampandefitra zavatra maro ireo mpiasa ireo mba hanajany ny ora sy ny fotoana ifehezan’ny orinasa azy. Ny boky onjam-pilafila iray manontolo, dia maneho ny voka-dratsy ateraky ny fahadisoam-pidirana fahadisoam-pidirana tokoa manko no nanolana ny zotram- piainan i bako 158 izany indrindra no tian’ny mpanoratra hampitaina sarobidy ny ora, volamena ny fotoana ka tokony hohajaina. Fanabeazana azo tsoahana avy amin’ny alalan’ireo ohatra ireo zavatra maro no mety hiova noho io tsy fanajana fotoana io. Ny tanora indrindra no tokony hiezaka voalohany hanao izay azony atao amin’izany fanajana ora izany. Ary amin’ny maha mpanabe an’iharilanto patrick andriamangatiana, dia asehony fa ny mpampianatra no tokony ho fitaratra voalohany amin’ny fahatongavana ara-potoana; ary fatiantoka ho an’ny mpianatra ny fahadisoam-pidirana ataony ; tsy eo amin’ny fianarana ihany izany, fa eo amin’ny asa sy ny fiainana iray manontolo indrindra koa.
Jereo fa fohy ny andro iainana b ny zana-kira
Toa mandeha an-jambany ihany ireo mpikambana ao amin’ny cecam rehefa manao ireo asa atolotra azy. Heverina fa tsaratsara kokoa ny fanomezana fanofanana mialoha ireo mpikambana araka izany mba tsy hahatonga azy ho vaovao be amin’ny fanatanterahana ny asa. Atoro azy amin’izany ny fomba fitantanam-bola mahomby tahaka ny hoe atokana ny vola hividianana masomboly, ny vola hividianana zezika ary tsy afangaro fa izay tetika asa kasaina hatao dia tanterahina. Ankoatra izany anefa dia voizina hatrany ny hevitra mitondra azy mba hanana toe-tsaina tia fandrosoana sy fivoarana mba hisian’ny fiavahana eo amin’izy ireo sy ireo olona tsy ao anivon’ny fikambanana. 2.2.2.1.2 -ho an’ireo olom-boafidy ao amin’ny cecam
Nasongadina ato amin’ny fizarana fahatelo amin’ity asa fikarohana ity ny fomba filazan-javatra nentin’ny mpanoratra naneho ny vokatry ny tabataba. Azo sokajiana ho telo miavaka tsara izany, raha ny fanehoana azy ao amin’ny- boky no jerena. Voalohany, eo aloha ny fampiharan’ireo vazaha mpanjanatany ireo karazan- tsazy sy fampijaliana isan-karazany tamin’ireo malagasy mba ho famaizana azy ireo tamin’ny raharaha fikomiana. Ireny fanafaizana ireny dia natao tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka ka na dia ireo olona nanatri-maso fotsiny aza dia mahazo ny anjara tandrify azy dia ny fampijaliana ara-tsaina toy ny nahazo ilay tovolahy nataon’ny miaramila soanagaly ohatra tamin’ny fitifirany olona. Manaraka izany, nandray fepetra hentitra sy henjana ny vazaha mba hahafahana mifehy ny malagasy nolazaina fa mpikomy ka nisy ny fanaovana andrimaso ireo toerana natahoran’izy ireo hisy fikomiana, teo ihany koa ny tsy fahafahan’ny malagasy mitazona zava-maranitra tao an-trano ary farany ny fanerena an-kolaka ny malagasy hanaiky ny frantsay. Ny toko fahatelo kosa dia niompana manokana tamin’ny fianakavian- drandrasana. Toy ny ankamaroan’ny malagasy dia niantraika tamin’izy ireo ihany koa ny tabataba 1947 izay nitarika ny fahafatesan’i feno sy ny fandroahana an’i faly tsy ho mpianatra ho mpiasam-panjakana. Miavaka ny fanehoan’ny mpanoratra ny fitantarana amin’izany rehetra izany ka anisan’ny sarinteny miverimberina matetika ao ny metalepse mba tsy hilazana mivantana izay tian-kambara ka hitarika fihetseham-po be loatra eo amin’ny mpamaky noho ny tantara mandona ny atifo sy mampipongatra alahelo , ny parallélisme sy ny gradation kosa dia natao indrindra eto mba hampiroso haigana ny fitantarana sy hampafonja bebe kokoa ny hevitra hampitain’ny mpanoratra.
Voaboasy ny momba ny tsaho sy ny vokany eo amin’ny firenena iray. Famakafakana
Saina tsy azo tsy amin’olombelona
Dia vaka koa ny saina, fa toetra tsy nampoizina harena sesehena, raha toa mandini-tena saingy tsy ho takatra, raha tsy eo ianao mpikaroka. Hampita fahalalana ho an’ireo taranaka.
Talohan ny hahavelomany, lasa ilay vazaha 64 ny resak’izy telo mianadahy manodidina ny fitadiavan’i tsiry asa ny hafatry ny rain’i mino fahiny raha nampirisika an-janany hianatra asa inona no hainao?
Ny sekoly tsirairay dia manana ny rafitra ara-pitantanana mifehy azy. Tsaroana fa ny hoe rafitra dia fitambarana singa samihafa mifanohina ary mivoatra ka ahitana firindrana miankina amin’ny tanjona kendrena de rosnay, 1975 91 46. Maneho izany fa ny rafitra rehetra izay ajoro dia manana ny singa manorina azy avy, izay samy manana ny lanjany miolotra amin’ny zava-kendrena. Raha atodika amin’ny fampianarana izany dia heverina fa ny rafitra atsangana eny anivon’ny sekoly dia tokony hanana ny fepetra fototra iorenany hatrany. Ao anatin’izany dia misy ny tanjona izay iarahan’ireo mpisehatra eo anivon’ny sekoly manatratra. Raha ny zava-nisy natrehina tao amin’ny kilasy voalohany nanaovana ny fizarana asa anefa no itodihana dia hita fa misy ny rafitra izay heverina fa tsy mifanaraka amin’ny fepetra enti-manorina fahalalana eny anivon’ny sekoly. Fototra iray mahatonga ny tsy fahombiazana eo amin’ny fampianarana ataon’ny mpampianatra sy ny fianarana ataon’ny mpianatra izany. Nandritra ny fizarana asa àry no nahalalana fa misy ny mpianatra mirava amin’ny 12 ora antoandro ary miditra indray amin’ny 1 ora tolakandro.
Misy ny resy
Ra-gly dia sady mandevina no nanao safidrazana?
Fianakaviana faharoa rehefa tafakatra teto antananarivo àry ity raim-pianakaviana dia, tao amin ny rahalahin-drainy aloha izy no nitoetra. Nanana vola nentiny nihetsika izy tamin izany, araka ny nambarany, vola ambiny tamin ireo azony tamin ilay asa fandraharahana nataony teo aloha. Io vola io no nentiny nihetsika nanao asa fandraharahana hafa vaovao. Ny fivarotan-damba tonta avy any ivelany no nataony tamin izany. Nambarany fa nandeha tokoa io asany io. Rehefa nanomboka niaraka anefa izy mivady dia nanova ny asa fivelomany izany. Ilay renim-pianakaviana kosa, rehefa vita ny fiofanana nataony momba ny fikojakojana taovolo sy ny tarehy amam-bika, dia nanangana toeram-pikojakojana izany izy ireo, ary ao anatin io toerana io ihany izy mivady no nivarotra ireo fitafiana, izay asa fanaon ilay raim-pianakaviana. Hatramin izao fotoana izao io asa io hatrany no fiveloman izy ireo. Izay ny amin ny fivelomany rehefa nonina teto fa hidirantsika manaraka izao ny nahatonga azy ireo nisafidy ny honina teo amin ny fokontany.
Ny fomba fiteny andavanandro tetsy ankilan’ny literatioran’ny ntaolo, sy ny literatiora an-tsoratra malagasy, dia nitodihan’i jean narivony ihany koa ny fomba fiteny andavanandro, indrindra ny tenin’ny zatovo. Bezoro ratoaka, akory izato izy ? Mba miditra ihany ny boay sy ny goana
Ny lahatsoratra ny bakara ao amin’ny tak. Faha-59-63 kosa , dia ahitana fanontaniana , saingy tsy manaraka izay ambaratongam-pahasarotana , koa ezahina ny hanarenana azy mba ho araka ny tokony ho izy. Raha fintinina dia miresaka momban’ny fidiran’ny bakara na ny loka mihamahazo vahana eo an-tanàna sy ny voka-dratsin’izany eo anivon’ny tokantrano ny lahatsoratra. Fanontaniana telo no nampiarahin’ny mpamolavola ny boky an’izany ireto avy izy ireo 1 tamin’ny fotoana nisehoan’ity tantara ity, haisoratra momba ny anatranatra no nahazo vahana teto amin’ny firenentsika. Inona no anton’izany? Ary ankehitriny ve azo ambara mazava izay antony anoratan’ny mpanan-talenta? Fandinihana sy fandalinana 2 fakafakao ny toe-po amam-panahin-dranoro. Fahazoana ny lahatsoratra 3 inona avy no antony lehibe fantatrao fa mahatonga ny olona ho voasariky ny ratsy ? Fahazoana sy fandinihana
Ankoatra ireo mpanondro tsy mamaritra toerana milaza ny zavatra hita maso, dia eo ihany koa ireo mpanondro tsy mamaritra toerana milaza ny zavatra tsy hita maso sy tsy voafaritra mazava tsara. Ireto avy ireo mpanondro ireo i zao, i zay. Roa ihany ny mpisolo manondro zavatra tsy hita maso ananan’ny fiteny nodinihina. Ny renifeo -z-, ialohavana i- na tsia no mandika ny tsy fahitana maso ny zavatra haseho. Na tsy hita maso aza anefa ny zavatra tiana hambara amin’ny alalan’ny mpanondro dia azo sainina avy amin’ny alalan’ny zanapeo iafaran’ireo mpanondro ireo ny halavirana misy. Ny zanapeo iafarana -o manambara ny toerana akaikikaiky kokoa ny mpiteny raha maneho ny lavitra ny mpiteny ny zanapeo iafarana -y.
Averimberin-dratrema william matetika ao amin’ny famelabelarana ataony mikasika ny malagasy sy ny tanindrazana , v. A, tak.117 ny teny hoe midadasika araka ny famaritana ao amin’ny rakibolana malagasy, ny hoe midadasika lehibe, migodana, ary mitovy hevitra amin’ny hoe malalaka, be sakana, tsy azo veroka, tsy hita pesimpesenina 90 manodidina ny 587.040km2 eo ho eo ny velaran’i madagasikara91, ankehitriny. Tsy hoe mahavokatra sy mitahiry harena voajanahary fotsiny i madagasikara, fa malalaka. Ary samy manana ny mampiavaka azy, ny faritra tsirairay. Marina fa midadasika ny tanintsika, ary vokatry ny tantara, dia misy fomban-tany mampiavaka ny tanàna, ny vohitra, ny faritra tsirairay avy , v. A, tak.143 raha eo amin’ny velaran-tany, dia tsy mitovy avokoa ny isam-paritra. Tahaka izany koa ny eo amin’ny lafiny famokarana, satria tsy hitovy mihitsy, ohatra, ny vokatra mampalaza ny any sava, sy ny vokatra mampalaza ny any vakinankaratra. Manampy ny firenena amin’ny lafin-javatra maro eo amin’ny fiainana ny fananana velaran-tany midadasika. Anohizan’ny mpanoratra ny teniny tetsy aloha, dia ambarany, fa avelan’andriamanitra hisonanina irery amin’ity nosy madagasikara ity isika , ary niangarana amin’ny hafa, fa sady nomeny tany malalaka no azo volena, sns. Antitranteriny, fa nosy midadasika ity nosy ity, satria isika malagasy dia notahian’andriamanitra manokana mihitsy satria sady nomeny tany tsy iombonantsika amin’iza na amin’iza, dia ity nosy madagasikara izay sady midadasika no tsara toerana ity , v. A, tak.133 te hilaza eto ny mpanoratra, fa tombon-tsoa lehibe ho an’ny malagasy, ary itsiriritan’ny hafa azy ny fidadasiky ny velaran-taniny sy ny toerana misy azy eo amin’ny lafiny jeôgirafia.
Tsapa, araka izany, nosokajian’ny mpanoratra arakaraka ny toerana ipetrahany ny sihanaka eto. I merleau ponty koa dia nanana ny heviny araka ny itateran- drafidimanana amady17 azy ao amin’ny bokiny izay nosokajiany ho fito.
Fitazana ahy akory
Directeur de recherche solo-raharinjanahary raharimalala anatolie professeur titulaire et directrice de recherche à l’université d’antananarivo
Misy ny fiotana eo amin’ny faran-teny -tra sy -ka rehefa endrika iray ihany no endrika isehoany eo am-panovanana, izany hoe, mitovy ny fanovan’ireo faran-teny ireo eo am- panovanana. Amin’ireto fototeny holazaina manaraka ireto dia renifeo r irery ihany no fanovan’ny faran- teny -ka sy -tra, noho izany, misy ny fiotana eo amin’ireo faran-teny ireo satria very ny anjara asa fanavahana tany am-boalohany jereo 2.2.1.1.2 jelatra jelaka fanjelar-ana lonjitra lonjika filonjer-ana taritra tarika taritina fitanana ny anjara asa sy fikisahana eo amin’ny fototeny sasany, voatazona izany anjara sa fanavahana tany am-boalohany izany saingy mikisaka any amin’ny mpihazaka hafa. Ohatra taritra ? Tarika taritina taritina ? Tarihina
Fony aho vao zazakely mbola tena boay kely araka ny efa mba tadidiko nisy teny mamy mahaliana rehefa hitantara arira izay nenibeko izay tahiny
Eto dia mbola tsy eo ny anoharana fa toetra iray ao aminy no eo sariaka amin’ny ankapobeny ny olona no lazaina fa sariaka. Ny sariaka izay midika fa misy hafaliana ao anatin’ny fo ka taratra eo amin’ny endrika, amin’ny alalan’ny tsiky. Natafin’ny mpanoratra ny felana ireo endrika fonosin’ny sariaka ireo. Eto dia fehezanteny tokana no ilazana angolan-kevitra iray, izany hoe mamintina filazan-javatra ny métaphore , ny hevitra mivelatra fa tsy nolazaina avokoa ny filazan-javatra.
Ka mikarakara hetsika ny fanjakana mba handrisihana ny mpianatra toy ny fifaninanana mamorona fampisehoana an-tsehatra valan-dresaka fampiratiana boky na asa soratra
Ny politikam-panjakana momba ny teny malagasy sy ny politikam-panabeazana. Tsy azo atao ambanin-javatra raha ny politikam-panjakana momba ny teny satria misy akony lehibe any amin’ny fampianarana ny taranja malagasy ihany koa izy io. Raha ny lalàm-panorenan’ireo repoblika efatra no jerena, dia tafiditra ao anatin’ny teny ofisialy hatrany ny teny malagasy. Izany hoe, ampiasaina any amin’ny sehatra ofisialy rehetra izy io. Raha ny hita tao amin’ny fizarana voalohany momba ny sata omen’ny fanjakana ny teny malagasy anefa no jerena dia toa maivana ihany satria rehefa nojerena ireo fafana maromaro maneho ny salanisan’ny fampiasana ny teny malagasy any amin’ny sehatra ofisialy dia kely raha mitaha ny teny frantsay. Mbola manampy trotraka izany koa moa ny fandrosoana sy ny fanatontoloana izay tsy azon’ny firenena malagasy idifiana. Vokany, tsy mahaliana ny mpianatra intsony ny teny malagasy ka izany no antony mahatonga azy ireo tsy ho tia ny taranja malagasy. Noheverin’izy ireo mantsy fa tsy ilaina eo amin’ny fiainany andavanandro ny teny malagasy ka tsy mampaninona na tsy voafehy aza. Hita izany ohatra rehefa misy orinasa mitady mpiasa, ny fahaizana tenim-pirenena hafa toy ny teny frantsay na teny anglisy no takina fa tsy misy mihitsy fitakina ny fahafehezana ny teny malagasy. Raha ny hita tamin’ireo fandaharam-pianarana rehetra hatrizay nanomboka tany amin’ny repoblika voalohany hatramin’izao dia kely ny ora ianarana ny teny malagasy raha mitaha amin’ny teny hafa toy ny frantsay satria ora 4 isan-kerinandro no an’ny malagasy raha toa ka 6 ny an’ny teny frantsay. Tsy aty amin’ny lisea ihany izany fa hatrany amin’ny ceg mihitsy.
Miala tsiny
Ankoatra ny fanabeazana azo teo anivon’ny fiarahamonina, dia notezaina tamin’ny fanabeazana an-tsekoly ihany koa i niry-solosoa satria ny fianarana no lova tsara indrindra. 1-4-1 ireo sekoly namolavola azy sy ny mari-pahaizana azony
Driba ny finoana ary miezaka izy hanazava ny fitoviana sy ny fahasamihafana amin’ny finoana sy fivavahana eo anivon’ny fiarahamonina samihafa 3. Tsy maintsy misy hetsika ao anatin’izany rehetra izany, ary io hetsika io no mahatonga fiovana. Noho izany miara-dalana amin’ireo lalan-tsaina voalaza teo aloha ireo ihany koa ny antrôpôlôjia baikoin’ny hetsika na anthropologie dynamique , mandalina ny hetsika dynamique sy ny fiovana aterak’izany, izay ilàna fananan’ny mpikaroka toe-tsaina mitsikera critique araka ny nambaran’i goerges balandier dia manasongadina ny tantara sy ny fiovana 4 ity lalan-tsaina ity.
Raha jerena ny fafana, dia miharihary fa mpampianatra voaofana amin’ny fampianarana ny taranja malagasy izy roa ireo. Izany hoe, olona efa azo antoka amin’ny fampianarana ity taranja ity. Ny iray a , dia efa tena nilona ela tamin’ity asa ity, ary efa handao izany aza raha afaka taona vitsivitsy. Tena efa manana traikefa be dia be mihitsy izy. Ny iray b , kosa dia azo ambara fa mbola vao mizatra ihany raha atao ny fampitahana azy roa. Tsy mahagaga araka izay raha mety hisy fahasamihafan’ ny fampianarana atolotr’izy ireo ny mpianatra.
Lisitry ny fafana
Burton m. A, op. Cit. Tak.14
Olona nohadihadiana ireo mponina tao faratsiho
Procedures
Valin’ny famindrana
Ts imanato lety koa lesy te ho be ambony any ka ! Ny valahana noho midina anefa skil kely !
Foza orana
Andriamatoa tsafilo, filohan’ny fokontany, 109 taovan-kena
Fanazarana f donnez les réponses give the answers an iza ny satroka? An iza ny biby fiompy? An iza ireo akoho ireo?