text
stringlengths
10
11k
Ny fampiasana ny tsirin-teny sara-droa ha ana na faha ana dia afaka mamadika ny mpamari-toetra ho lasa anarana maneho toetra ananana. Ohatra tanora ha-tanora-ana hatanorana, adala faha-adala-ana fahadalana, kanosa ha-kanosa-ana hakanosana
Ohatra tononkalo iray nosoratan’i victor hugo nampitondrainy ny lohateny hoe je travaille 82 izay ilazany amin’ny namany fa ny fandraisany ny taratasy sy ny
Araka io ampahan-tononkalo io dia hita taratra ao ny tamberim-boan-teny an- dohan’andalana mifanesy. Mandoko ny fihetseham-po tsy hay tohaina noho ny fitiavan-janaka izany eto.
Ny sekoly sy ny ray aman-dreny
Ahitana sokajy roa ny mpampianatra miasa ao amin’ny lisea mahitsy. Ao ireo mpampianatra mpiasam-panjakana ary ao ihany koa ireo mpampianatra karamain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra antsoina hoe mpampianatra fram. Mitovy ny asa iandraiketan’ireo mpampianatra ireo eo anivon’ity sekoly ity sy ny ora iasany na dia tsy mitovy aza ny sokajy misy azy ireo. Raha ny hitanay nandritra ny firotsahana an-tsehatra aza dia mavitrika amin’ny asany kokoa ireo mpampianatra fram, ohatra eo amin’ny fanajana ny ora fidirana. Saika ahitana ireo sokajy ireo moa ny mpampianatra ao amin’ny ankamaroan’ny sekolim-panjakana 74 eto madagasikara. Handeha omena amin’ny antsipiriany ny mikasika ny isan’ny mpampianatra sy ny lanjan’ora iasan’izy ireo isan-kerinadro.
Raha vao miresaka fifandraisana dia ny lafiny serasera no tonga ao an- tsaina voalohany. Raha eo amin’ny sehatry ny fampianarana dia azo ambara fa tokony ho olon’ny serasera ny mpampianatra. Azony atao ny mifandray mivantana na ankolaka amin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny teny, ny fihetsika ary ny fomba samihafa. Azo lazaina fa mahay miserasera amin’ny mpianatra ny mpampianatra raha voafehiny tsara ny fandaminana sy ny fandrindrana ny asany amin’ny fifandraisana tsara amin’ny mpianatra ary mifanentana amin’ny zava-misy manodidina. , araka izany, dia tsara ho fantatra aloha ny zava-misy manodidina ny serasera.
Fampandrosoana ny fiarahamonina misy azy,
Usaid us agency for development madagascar
Ff1, tak. Xvii, andl 30-37 139 ihava, raim-pianakaviana monina ao ampiringalava, 54 taona
Haifampianarana ny fanabeazana momba ny tontolo iainana ao amin’ny taranja malagasy
Tontolo feno anao
Sary 18 vehivavy antemoro mankalazana ny fetin’ny vehivavy valo martsa 2015
Rado fa mbola tsy ampy anao ve ny nandavako ny ho any e? Ianao no te hipingapinga ka eo vao mandraingiraingy eo.
Rankehitriny fa ny taloha moa tsy nisy nalaza ratsy sahala amin’alasora mpangalatra akoho sa tsy nisy niatahana hariva sahala amin’ambohitrarahaba be mpamosavy? Ririnin- dasa tsy tsaroana ny anao raondriana ka ny taho-katsaka fahiny lazainao fa vintsy fahizay. Fa angaha raha fongarina ny tantara tsy nanam-pahalemena sy rakotra tsy fahatanterahana ny olona taloha. Aza mba sendra raiamandreny maditra anaka tsy mahateny ihany, ka mahatsiaro ny vita taloha raha hanaovan’ny ankizy di-doha.
Inty aho, io ianao fa izy no tsy fantatro.
Noresahina tato amin’ity toko ity ny fetram-pahombiazan’ny tetikasa fandrindram-piterahana, ary ireo soso-kevitra vitsivitsy ho famahana ny olana. Hita tamin’izany fa tsy mahavahy tanteraka ny olan’ny fahantrana eto madagasikara ny fandrindram-piterahana raha toa ka tsy mbola manana fidiram- bola maharitra sy azo antoka ary ampy hivelomana ny isan-tokantrano. Raha avoitra ireo vahaolana naroso manoloana izany dia ny fampidirana ho laharam- pahamehana ao amin’ny pôlitikam-panjakana ny fampanana asa mampidi-bola ho an’ny isan-tokantrano, ny famoronana asa ho an’ireo vao nahavita fianarana, ny fanajariana pôlitikam-pitsinjarana ny mponina mahomby, ny fitsinjarana ny sehatr’asa samihafa manerana ny faritra rehetra eto amin’ny nosy ary ny fanampiana sy fanohanana ara-tekinika sy ara-pitaovana ny tantsaha. Ireo rehetra ireo miaraka amin’ny fandrindram-piterahana no mitondra ho amin’ny fandrosoana. Hita ihany koa fa miteraka olana eo amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ny fanalalahana loatra ny fivarotana sy ny fanjifana ny fomba fanabeazana aizana, ary koa ny fanentanana sy ny fanomezana fahalalana ny tanora hampiasa izany tsy misy fepetra; zary mandrisika ny tanora hiditra aloha loatra amin’ny sehatry ny firaisana ara-nofo mantsy, ny fahafahany mampiasa ireny fitaovana ireny. Ny soso-kevitra natolotra, manoloana izany, dia ny fametrahana fepetra amin’ny fivarotrana sy fividianana ireny fitaovana ireny ka ny ny toerana voatokana hivarotam-panafody sy ny mpitsabo ihany no tokony hahitana azy, ary ny olona 18 taona no mihoatra ihany koa no afaka manjifa izany. Teo ihany koa ny fanamafisana ny fanentanana ny tanora tsy hiroso amin’ny firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana, ny fametrahana sy na fanamafisana ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny tanora indrindra indrindra. Ankoatra izay ny fiezahana hampitombo ny fomba fanabeazana ho an’ny lehilahy mba hisian’ny miralenta. Natao ihany koa ny fanairana ny fanjakana sy ireo ray aman-dreny ary ny tanora handray ny andraikitra tandrify azy avy amin’ny fifehezana ny fanjifana ny vokatry ny teknôlôjia, izay isan’ny mampisy olana ny fanabeazana ny tanora ankehitriny.
Tsy lakolosim-paty no henoko fa anjombon’ny mpiantafika fambara loza mitatao ho anao mikatsa-pahafahana ao anaty filaminana
Ny tanindrazany terak’andriamasinavalona avy eto antananarivo ny rainy. Taty aoriana dia nisy ampahany tamin’ireo razany nifindra monina tany alatsinainy-ambazaha, faritra analamanga. Tao ireo lasa tany ambohimandry, faritra itasy. Ary tao koa ireo nisafidy ny nijanona teto antananarivo-renivohitra. Ankoatra izany, dia nisy ireo nianatsimo tany ivato ambositra, faritra fianarantsoa. Niverina teto ireo ampahany tany ivato ambositra, taty aoriana ary namantana teo ilanivato, faritra analamanga. Izay no niavian’ny anaran-tanàna hoe ilanivato ilan’i ivato araka ny lovan-tsofina nambaran- drakotomalala jocelyn.
Matetika dia mitovitovy ny olana mpitranga amin’ny fanatontosana asa fikarohana toy izao. Ny olana ara-bola no tena goavana amin’ireny, eo koa anefa ny olana ara- pitaovana sy ny olana ara-potoana. Samy nosetrainay avokoa ireo olana ireo
De rosnay, le microscope, vers une vision globale, edition seuil, paris, 1975, tak 91 un système est un ensemble d’éléments en interaction dynamique, organisé en fonction d’un but
Dia tononiko eto izany ary averiko ombieny tsy olon-kafa akory izay fa idada sy ineny.
Eo am-panombohana sady tsy mafana tonga amin’ny tsotsori- dia mbola milamina no tsy mangatsiaka mamba hisarahana sy mandeha tsara noho ny disadisa i lala sy i lisy ny fifandraisan’ireo
Bourneuf r et ouelet r l univers du roman, 4e édition, vendôme, janvier 1985 puf
Mamiko hiran’i bodo
Fampahafantarana jeôgirafika sy ny fokontany ao aminy
Er marina’h, miteny ny moana, inrm, tak 66 190er marina’h, aiza ny hambom-po? , in rm, tak26-27
Rakotosoa jean gabin takariva t-26, lah-1995, 21 03 1958
Lava- drano, fanasana tanana trano fianarana voalohany
Tsy miasa ny sabany na dia maranitra
Tntercecam
Ton.52, tak 58
Lesona vaovao rehefa manao lesona vaovao dia tsy avy hatrany akory dia atolotra ny lesona fa miainga amin’ny lahatsoratra na tenina mpandinika hatrany izany hoe miainga amin’ny zavatra hita maso, azo tsapain-tanana, azo kirakiraina mandalo amin’ny elanelam-panahy ary farany mahatratra ny fahalalana izay sainina. Seho 1, lohahevitra ny hasina telovolana faharoa, taona 2010 nasain’ny mpampianatra mitady teny na andian-teny fampiasa andavanandro ahitana ny voambolana hoe hasina ny mpianatra. Ireto no hitan’izy ireo tamin’izany hasin-tanana, manan-kasina, hasim-boasary, maty hasina, very hasina, hasina voninkazo samy te hiteny avokoa moa ny ankizy rehetra ka noferana ny fandraisam-pitenenana rehefa nisy voambolana vitsivitsy azo niaingana. Marihina fa nasaina nanandrana nanazava ny voambolana hitany ny mpianatra ary notarihin’ny mpampianatra izy tamin’ny fanehoan-kevitra. Nivoaka tamin’izany ary ny famaritana ny hasina, ny toetrany, ny mampiavaka azy. Hasina fahaizana na hery manokana, an’ny tena irery, voninkazo ; mety maty, mety very, mety hiala amin’ny olona iray izay hevitra tsy tafavoakan’ny mpianatra dia atolotry ny mpampianatra avy hatrany indrindra rehefa tery ny fotoana. Araka ny voalazan’ny mpampianatra dia miainga amin’ny lahatsoratra sy tenina mpandinika foana izy rehefa hanao lesona vaovao, izany no atao dia mba hahafahan’ny mpianatra mahita sahady ny lohahevitra hodinihina sy hialana amin’ny fanaovana lesona tolotra, eo ihany koa no hahafahana mampandray anjara ny mpianatra. Rehefa vita ny lesona dia misy hatrany ny fampiharana omena ny mpianatra. Fampiharana rehefa mahavita lohahevitra iray ny mpampianatra dia manome fampiharana atao enti- mody ho famintinana izay voalaza tamin’ny lesona na tombana ataon’ny mpampianatra na fanitarana ny fahalalan’ny mpianatra. Fampiharana hoy i andry andraina, mitaraina ny tany rehefa misy zavatra tsy fanao atao, toa tsy misy afa-tsy ny olona mahantra indrindra no tokony hanao azy fakafakao. Io famakafakana io dia nomena tao aorian’ny lesona momba ny hasin’ny tsirairay volana aprily, taona 2010 natao tany an-trano ny asa nefa mbola notohizana tany am-pianarana satria betsaka no tsy mahavita izany. Marihina fa ny firotsahana an-tsehatra natao tany an-toerana dia
Ry hazo mafy taho fialofana hatrizao akany samihafa mihantonkantona ao tsy takatry ny sasany ny tarigetranao
Fikarohan- kevitra ataon’ny mpianatra ora 25 min
Source enquêtes effectuées par ong lalana, année 2003.
Razandry ô! Ireo manofa lamba ny havantsika miandry eo andrefan-tanana ny lalan-tsika efa madiva ihany koa herezo, herezo razandriko izany. V. Lah .10 raha izay ary no fomba fanehoam-pitiavana eo amin’ny samy zanaka, ka nanasongadinan’ny mpanoratra ny fitiavan-jandry tao aminy, manao ahoana kosa ny fitiavana asehon’ny ray aman-dreny amin’ny zanaka ?
Ny tiana zareo tsy mba ratsy, fa mamin ny fo sy ny saina, ny tsy tiana matetika mantsy na tsara aza, ankahalaina
Ny resaka tontolo iainana ankoatra ny fambolena voaroihazo iva ravina sy avo ravina atao sakafon-dandy kely, dia misahana fambolena hazo maro karazana ny kaoperativa, toy ny fambolena ny amberivatry cajanus indicus , ny tapia uacapa bojeri , ny tsitoavina dodonae madagascariensis radlekofer , ny dingadingana psiadia altissima , zahana phyllarthron madagascariensis , haika indigofera pedunculata sady hanatsarana ny tontolo iainana ireny, no atao toeram-pireharehavan’ny landibe sy ataony sakafo, ary hisintonana ny olona mpizaha tany. Azo tarafina miainga avy amin’io fiovana io koa ny kolontsaina ifampizarana ao amin’ny kaoperativa.
Vahaolana tsotra no atolony dia ny miaina amin’ny fitiavana hatrany hatrany. Ny manova ny tsy mety teo aloha ka mibanjina fiainana hafa indray mifandrindra amin’ny fomba fijery malagasy izany raha tarafina amin’ny fomba fiteny hoe indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe ? Tsy kivy ny malagasy manoloana ny fiainana , i asiniony kosa miezaka mitraka manoloana ny faharavam-pitiavana antitranteriny izany ao amin’ny mandrimandria 111 nefa aza renoka aloha ry foko nirodam-pikasa
Manoloana ny fanangonana tahirin-kevitra araka ny zavatra tsapa sy hita teny an-toerana dia zara raha misy ny atontan-kevitra na ny tahirin-kevitra. Koa satria efa maro ny taranaka no liana amin’ny asa fikarohana, koa tokony ezahina noho izany ny hanokanana sy hitahirizana amin’ny toerana iray ireo tahirin- kevitra mahakasika ny anororo sy ny mombamomba azy hanokafana trano fitahirizam- boky , tsy ho an’ny mpianatra hanao fikarohana ihany anefa fa manampy ihany koa an’ireo manam-pahefana hikasa hanao ny fampivoarana ny tanàna. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia efa maro ireo mpianatra mpikaroka, na amin’ny sehatra haiolona na amin’ny haifiarahamonina na amin’ny sehatra maro samihafaha dia saika liana amin’io tanànan’anororo io avokoa ny sasan-tsasany ho an’izay mahalala ny fisian’io tanàna io sy mahalala ny vakoka ao aminy, na io zana-tany na zanaky ny faritra misy ny kaominina na ivelan’ny faritra na vahiny avy any ivelan’ny madagasikara. Ao ihany koa ireo mpanao gazety. Sary maneho ireo mpikaroka tany anororo 1 anders, mpianatra mpikaroka haiolona avy any danimark 2 randrianarivelo hanitranirina, mpianatra mpikaroka haiolona, antananarivo 3 gaston randriamanalina, mpanao gazety r. N. M
Ny fanabeazana sy ny tantara an’onjam-peo
Fandaharam-potoana
Dady dadhi, bazary bazr, mizàna mizn, dokany dkan ; avy amin’ny teny karana sanskrit sasatra shastra, sisa çeça, karama karma, asa ayasa
Eny amin’ny doany fanadiovana ny manodidina ny doany raha ilaina izany.
Ny endritany
Boeny 1516 91936 4461 15289 3770 bongolava 50 74631
Observations obs. Avec données manquantes obs. Sans données manquantes
Sary kamory mitaiza tatamo o! Manganohano
Ireo sokajin’akora notrandrahina haseho amin’ny fanehoana ny sokajin’akora voaangona ireo tranga hita teny an-tsehatra, ny teny sy fihetsika voamarika ary ny fitaterana ny fiheveran’ny sokajin’olona ny ambalavelona.
Raha atao indray mitopy maso izay rehetra novahavahana tamin’ity boky ity dia azo aseho an-tsary amin’ny fomba mifintina tahaka izao ny fizotran’ny serasera mandresy lahatra 201
Ataovy tsara fantina ny boky vakina
Taria mampahalala no nodinihina teo. Famahavahana taria manazava indray no irosoana amin’ny zana-pizarana manaraka. 2.2.2.3. Ny taria manazava
Hetsik’ireo mpandray anjara ho amin’ny fampiroboroboana ny fiompiana ny akoho manatodilava ao mahitsy 3 tan-tsoroka amin’ny fampiroboroboana ny fiompiana akoho gasy amin’ny henan’ny akoho fakana nofo 4 fampiroboroboana ny fiompiana akoho ho tan-tsoroka amin’ny fampihenana ny fahantrana eto amin’ny faritra analamanga 5
Loharano ny mpikaroka
Misy noely sambatra mamonto tsikitsiky ny molo-jazakely vao mianatra misantatra mankafy ny fiainana ;
Any am-piangonana
Telovolana
Ny olona vorina
Miverina matetika eto fa ady sy tolona ny fiainana, ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay mba handresena izany ady izany. Tsy mora anefa ny miatrika azy, mila vononina hatrany ny saina satria io no ampinga hoenti-miady voalohany indrindra. Tsy misy fitaovam-piadiana ampiasaina izay mety hiteraka vono na ratra fa fandanjalanjana ny fihetsika atao.
Hita amin’izao fa tia tena rafetrarivo hany ka lasa nanavakava-bolon-koditra. Mbola manamafy izany voalaza izany rahaingo ao amin’ny avotry ny rafy nanandran- tena ho voro- mahery aho nony lasa goverinera madinika e! Izany izaho lanjain’ny borizano mamakivaky ny tsena rehefa mingadona ny talata. Ny setro-tsigarako mipololotra, ny soroko mandihidihy izay fanajana an-drasoherina nentin’ny voromahery sové tamin’ny palakina no tsy hitako.
Ny asa tanana matetika dia asa iray fahita eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny asa tanana. Asa hafa entina manampy ny asa fivelomana izy ireny ary anisan’ny mampidi-bola ihany koa.
Fiarahana nifanekena teo amin ny lahy sy vavy. Azo atao ny fisaraham- panambadiana
Mpikambana araka ny resadresaka nifanaovanay tamin’ny ampahany tamin’ireo mpikambana nanao ity fampisamborana vonjy taitra ity dia noho ny aretina no antony nanaovany ity fampisamborana ity mba hividianany fanafody. Mahatsapa ho afa-pahasahiranana izy ireo amin’izany, kanefa voatery miasa mafy mba hahafahana manao ny famerenana ny renivola sy ny zana-bola mifanaraka amin’izany .
Fafana 15 ny tombom-barotry ny mpiompy akoho manatodilava azo avy amin’ny akoho miisa arivo nanalana ny fandaniana rehetra
Milaza zavatra ki- tokana ki- vi- maro vi- n
Sartre j. P. 1964 les mots, paris, gallimard
Anjara asan’ny hain-teny telo no anjara asan’ny hain-teny ambara eto dia fanehoan-kevitra ny hain-teny fanehoan-kevitra tsy mandratra kanefa mampieritreritra sy mahatonga saina. Aseho amin’ny endrika kanto ka ilaina eo amin’ny seha-piainana rehetra izy kolontsaina, fiaraha-monina, moraly, toe-karena, teti-pitondrana, ary matetika ny toe-pon’olombelona. Ireny no hita sy foronin’ny mpamorona hain-teny ka anehoan-dranarison -rasolohery ny heviny tsy miafina amin’ny mpanoratra ny zava-mianjady eo amin’ny fiaraha-monina ivelomany. Ao amin’ny asany no anaborahany ny ao am-pony tsy miloaka, sy ny tebitebin- tsain’ny mpiara-belona aminy 70 ny a. P dia mahasehaka ny sehatra rehetra toy ny hain-teny. Ohatra ny fon’ny manam-panahy dia vatolampy ampy hianjeran’ny tsy ampy fisainana a. P fanindrahindrana ny tontolo sy ny hakantony ny hain-teny, ary matetika dia ny fikaloana ny zavaboaary sy ny tontolo manodidina, izany no mibahan-toerana indrindra
Ny ambiroa dia miriaria any amin’ny tontolo tsy hita maso aorian’ny fahafatesana. Araka izany, ny fanahy miseho amin’ny endrika ambiroa no miriaria any amin’ny tontolo tsy hita maso aorian’ny fahafatesana. Ity endrika nolazaina farany mahakasika ny fanahy ity no misongadina ao amin’ny fomba fanafanana omby. Mbola miseho amin’ny endrika roa ihany koa izy ireo dia ny fanahy tsara, mitsinjo ny velona amin’ny fitahiana samihafa; ary ao ihany koa ireo fanahy ratsy izay fanahin’ireo olona maty tsy tonga razana lolo, angatra hoy ny fanazavan’i benevent izany maty ny vatana, saingy tsy levona tanteraka; mbola misy zavatra velona, zavatra izay tsy azo tsapain- tànana, saingy fitambaran-javatra mifamahofaho, manjavozavo, tantera-pahazavana manodidina io no endriny, tsy tena izy tanteraka ny olona maty 89 na eo aza anefa ny fahasamy hafan’ireo hevitra roa entin’ny atao hoe fanahy ireo, dia misy lafin-javatra mampifandray sy mampifaningotra azy ireo. Ohatra izay olona tsara fanahy tsara toetra fahavelony, dia tonga fanahy tsara any ankoatra, ary tonga andriamanitra. Izay ratsy fanahy fahavelony kosa toy ny mpamosavy, izay tsy tafiditra am-pasan-drazana dia tsy tonga razana mitahy, izany hoe, lasa fanahy ratsy lolo, angatra tahaka izany koa, ohatra, ny amin’ny finoana kirisitianina izay manao ny tsara dia mankany an-danitra; izay manao ny ratsy kosa dia mankany amin’ny afobe. Na izany aza anefa, dia tsy lasitra raikitra akory io fifampiankinana io. Ny antony, satria teo amin’ny malagasy, tsy ny ratsy fanahy na ny mpamosavy ihany akory no tsy tafiditra am-pasan-drazana; fa tao ihany koa, ohatra, ny lehilahy tsy voafora. Ary teo amin’ny malagasy, izay mbola hita taratra ihany koa amin’ny fanafanana omby, dia tsy ny olona na izay tondroina ho andriamanitra irery ihany no manam-panahy. Manam-panahy, ihany koa, teo amin’ny fiheverana malagasy ny zavatra na biby na zavamaniry sasantsasany. Amin’ny vavaka atao amin’ny fanafanana omby, ohatra, dia antsoina ny fanahin’ny tapa-kazo, ny fanahin’ny tendrombohitra, ny fanahin’ny rano. Toy izao, ohatra, no itateran-drazafintsalama mahakasika ny ambiroan’ny biby sy na zavatra ampombaina ny maty saingy, mba ho sahaza ny fomban’ny maty ny zavatra na olona ampombaina azy, dia vonoina izy ireny na apariaka raha zava- 89 le corps meurt, mais ne disparâit pas complètement ; il en reste quelque chose qui n’est pas la matière, mais un assemblage vague, vaporeux et diaphane de contours c’est son image sans être lui. Benevent, op cit, tak 637
Fanadihadiana ny mpianatra, janoary 2019.
Seheno tsy mahatapaka irery izany isika sy ianao, ka maninona moa raha isika telo, izaho sy ianao ary i madama vadinao no miaraka miresaka dia ho hita eo izay hatao.
Manadihady io fiarahamonina io no ampiasaina. Avy amin’izany no hahalalan’ny mpianatra ny kolontsainy izay heveriny ho marina, ny finoana arahiny, ny fomba amam-panaony. Ny fampiasana lahatsoratra mifototra amin’ny tontolo manodidina sy iainana ihany no fototra mampijoro sy ahafahana manatsarana ny fampianarana. Avy amin’izany ihany koa no isarihana ny sain’ny mpianatra ho tia sy hanome lanja ny soatoavina iavahan’ny firenena nipoirany. Ohatra ny lahatsoratra miresaka momba ny dinam-pokonolona raha hampianatra ny hitsiny.
Frédéric randriamamonjy, histoire de madagascar 1895 2002, tpflm, tananarive, 2009 elle était organisée par les pays vainqueurs, sous la direction des cinq grands pays suivants les etats-unis d’amérique, la grande bretagne, la france, l’union soviétique et la chine , tak 150
Kokoa eto ilay mpiteny taratra ao anatin’ny mpisolo tena manondro fananana laharana voalohany ahy. Io voambolana hoe ahy io dia manondro olona iantefan’ny hetsika izany hoe mpandray anjara fototra; olona tokana no taratra ao anatin’ny hoe ahy. Araka izany manondro mpandray anjara manana fananana io. Izany fananana izany eto dia ny olon- tiany iniany tsy tononina, fa aidiny ao anatin’ny teny hoe ahy mba haneho fiombonana. Eto àry ny litote dia natao hitazonana ny fahalianan’ny mpamaky ary hampisy endrika ny fehezanteny. Manomboka hita taratra ilay mpandray anjara niteny teo ambony rehefa nahazo setriny avy amin’ilay olon-tiany nanehoany fiombonana teo. Mazàna ny fanolorana ny mpandray anjara dia miorina amin’ny fanoritsoritana, ary miteraka ny prosopographie119. Ny fitazonana ny fahalianana, miampy ny fitazonana ny fifantohana anefa no tanjona eto, noho izany no tsy ahitana io sarin-teny io. Ny périphrase, sarin-teny ahitana teny tokana vahavahana amina teny maro no paika nampiasaina tamin’izany. Hita amin’ny hoe ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy tdt 1 8 teny ataon’ilay tovolahy hanondroana ilay solemita io120. Mifandray betsaka amin’ny fihatseham-po eto ny famoronana ary dia fanasohasoana no tena ifotorana. Voatery ilay mpiteny hamahavaha ny anarana, dia mipololotra avy any anaty ny angolam-pihetseham-po manenika ny fanahy izay tsy voatonony amin’ny teny tokana. Maharitra kokoa ny faharetan’ny fanononana ny anarana eto, maneho ny mampaharitra ihany koa ilay fitiavana. Ry ilay solemita ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy.
Sady manoritsoritra an’isalo ity lahateny ity no doka momba ny zahatany ihany koa. Amin’ny alalan’ny fanoritsoritana no entin’ny mpiteny mampahalala ny mpizahatany ny mombamomba an’isalo sy ny zava-misy any an-toerana. Asehon’ny mpiteny sy ampahafantariny amin’ny itenenana amin’ny alalan’ny fitanisana miraraka ompana ireo zava-misy rehetra mampiavaka manokana azy amin’ny valan-javaboary hafa i isalo. Ny fampiasana ny mpilaza toerana no manery ny itenenana ho toy ny mitety amin’ny alalan’ny mason-tsaina ny zavatra sy ny toerana tanisain’ny mpiteny ka manery ary hino ny fisian’izay zavatra resahina aminy ary ho resy lahatra hitsidika any an-toerana. Marihina araka izany fa endrika iray isehoan’ny fandresen-dahatra ny doka satria fandokafana vokatra na entana iray tiana ho maro mpanjifa na koa fanoritsoritana toerana fizahantany iray mba hisarihana ny mpizahatany no atao amin’izany. Ka ny tombontsoa azo avy amin’ilay vokatra na ny fitsidihana ilay toerana soritsoritana no arantiranty ao amin’ilay doka ary atodika indrindra amin’izay mamaly ny filàn’ny mpanjifa mba hahazoana fankatoavana avy aminy.
Dictionnaire général. Indonésien-français, association archipel, paris 934 t
Lay fofom-pitia aminao
Présenté par andrianaivosata dera nirina
Ny herinaratra
Anisan’ny mampitombo sy mampivelatra ny fahalalana mety ho azon’ny mpianatra ny fisian’ny fanontaniana samy hafa karazana. Koa ilaina ny fampifangaroana izany. Tokony hokendrena ao na ny hahaizan’ny mpianatra manakatra hevitra , na ny fahaizana manadihady , na ny fahaizana mandanjalanja sy mamakafaka , ary indrindra fa ny fahaizana mamorona noho izany , misy ny ovana na anampiana amin’ireo fanontaniana izay tsy ahitana afa-tsy ambaratonga iray ihany amin’ireo lahatsoratra raisina ho ohatra ireto lahatsoratra vitsivitsy ireto ny hainteny manina olon-tiana ao amin’ny tak. Faha-13-14. Ahitana fanontaniana efatra miaraka amin’ilay lahatsoratra iray karazana avokoa anefa izany , satria samy mikendry ny hahazoana ny hevitr’ilay asa soratra. Tsara ny fisian’izy ireo kanefa tokony mba hasiana ambaratongany hafa. Koa hisy ny fanampiana izany 1 ahoana no ilazana fa hainteny izy ity? Fahazoana 2 fakafakao ny toe-tsain’ilay miteny eto ? Fahazoana 3 lehilahy sa vehivavy ilay miteny eto? Fahazoana 4 nahoana no manina ilay miteny eto? Fahazoana 5 natao inona teo amin’ny fiainan’ny ntaolo ny hainteny ? Inona no anjara asany? Fandalinana
Soa ity amiko indray ny fanalahidy e. Misy taratasy avy aminy ity miaraka 1055- mifandrombaka misambotra ilay taratasy eny an-tanan’i soa izy rehetra miala ianareo e sady manokatra ilay taratasy ary mamaky ao fa hovakiko mafy e any randria sy izy telo dahy. Tsenao fa ho avy amin’ny alahady alina izao. Amin’ny 8.30 alina no mijotso mipaka an’i madagasikara ny fiaramanidina. Aza tratra aoriana fa sao hangasihasy aho. Betsaka ny voan- 1060- dalana sy ny resaka ifampizarana. Tsarà daholo. Hihaona tsy ho ela. Neny randria-koto-soa-lita miaraka mihoraka, falifaly, mitsinjatsinjaka koto ho avy i neny, rahampitso izany andro alahady izany? Lita ie, ho avy i neny, hivaha ny olana
Tsia 47 59,49
Ny fahatarana sy ny tsy fahatongavana
Kevitra isan-karazany mandrakariva. Sady manitatra ny fahalalana ananany izany, no hampirisika azy hanomana isanandro isanandro ny lesona. Hahazo tombony amin’izany ny mpianatra. 3112-akony eo amin’ny mpianatra ho an’ny mpianatra indray, dia ho liana izy raha mifototra amin’ny zava- misy iainany, hitany manodidina azy ny fampianarana. Ny zava-nisy tamin’ny 2007 namolavolana ny fandaharam-pianarana mbola arahina ankehitriny mantsy, mety tsy hitovy amin’ny zava-misy iainana amin’izao taona 2014 izao intsony. Ambonin’izany koa, tsy ho azon’ny fakam-panahy hijery ny kahien’ireo zokiny fotsiny ny ankizy, fa tsy maintsy hamonjy ny sekoly. Zava-baovao, fahalalana vaovao no horantoviny any. 312- famaritana pôlitikam-panjakana matotra toa tsy dia matotra loatra ny pôlitikam-pampianarana eto madagasikara. Mila fanovana ny toe-tsain’ny mpitondra. Tokony hoezahiny ny hampifanaraka amin’ny tontolom-piarahamonina malagasy ny pôlitikam-pampianarana ampiharina eto amin’ny firenena. Tsy pôlitika mahomby ny manara-drenirano fotsiny ny zavatra rehetra ataon’ny firenena any ivelany. Tsy mitovy amin’ny tontolom-panabeazana any an- kafa any ny an’ny malagasy. Mialohan’ny fanovana ihany koa, dia tokony hisy fanomanana fanomanana ny sain’ny olona hiatrika ilay fanovana, fanomanana ny mpampianatra hampihatra ilay fanovana, fanomanana ny fitaovana ilaina boky, tahirin-kevitra samihafa, sns ny tsy fahampian’ny fanomanana ny sain’ny mpianatra, ohatra, no anisan’ny lesoka tamin’ny fampiharana ny teknikam-pampianarana apc, izay nikendry ny hanafoana ny famerenan’ny mpianatra kilasy. Nihevitra mantsy ny mpianatra, fa na mianatra izy na tsia, dia tsy maintsy mifindra kilasy hatrany. Novoizin’ny mpitondra tamin’izany koa moa ilay hoe redoublement zero , izany hoe tsy misy mamerin- taona izany. Ankoatra izany, tsy dia tsara ny anankinan’ny mpitondra amin’izay mety ho famatsiam-bola azon’ny fanjakana, ny fanovana ny teny enti-mampianatra sy ny paika ampitana ny fahalalana any amin’ny mpianatra.
Ny fe hezanteny lava
Tolo-kevitra sy soso-kevitra amin’ny fanatanterahana ny asa tiana horesahina amin’izany ny fomba nandaminana ny fiaraha-miasa teo amin’ny ta. Fa sy ny tantsaha. Mba hahafahana manatsara io fanatanterahana ny asa io dia tokony hatomboka eo amin’ny fanofanana ka hatramin’ny fampiharana izany fanatsarana atao izany. Ohatra hatsaraina ny fomba fanofanana ny tantsaha, ka omena lanja manokana ny fanaovana andrana, satria, porofo mivaingana sy hita maso izany ka ho mora amin’izy ireo ny handray ny fampianarana. Ilaina hatrany ny fanohizana ny fanofanana ny technicien terroir mba hahafahany manampy ireo tantsaha namany, satria, misy amin’ny tantsaha sasany no tsy misalasala manatona azy rehefa tsy maharaka amin’ny fanofanana niarahana tamin’ny maro. Manoloana izany kosa ireo tekinisianina, tokony hijery ny fahaiza-manaon’ny tantsaha ka manitsy azy amin’ny tsy fahatomombanana kely, ary manokana fotoana mihitsy ahafahana mifanakalo hevitra amin’izy ireo, ary ny tena zava-dehibe anatin’izany dia ny fampandraisana anjara azy ireo amin’ny asa atao satria, ny famolavolana toe-javatra hahafahana mifanakalo hevitra, ka hahafahan’ny tsirairay mijoro amin’ny maha izy azy manoloana ny hafa dia zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny mampandray anjara ny mponina na inona na inona tetikasa hotanterahina. Mitaky fanokanana fotoana sy toetra mahay mihaino ary fanotronana izany. Ny tsy fanajana io fepetra na
Miainga avy amin’ny fiheverana itambarana, mivoaka avy any anatin’ireo vondron’olona ifotony ny fisandratan’ny singa iray ho vakoka. Dingana voalohany lalovan’ny vakoka amin’izany ny maha lasa fananana iombonana azy eny ifotony. Io fiovàn’ny singa iray ho lasa fananana iombonana io no ambaran’i m. Rautenberg anatin’ny boky la rupture patrimoniale fa fahaverezan’ny dikan’ilay singa mba hidirany ao anatin’ny dika iray vaovao manasokajy azy ho vakoka maharitra.54 ny fahatsapan’ireo olona tsirairay eny ifotony ny fisian’ny fifandraisana eo aminy sy ilay singa asandrany ho vakoka no fototra manetsika ny fiheverana
Endrika iray isehoan’ny fandeferana ny fahaiza-mangina amin’ny zavatra rehetra miseho. Tsy fahanginana mitory fahalemena tsy akory fa fisorohana ny korontana mety hiseho. Araka ny nambaran’ny mpanoratra ihany manao hoe.
Mangina ry noro a! Na dia hitia anao aza ange aho, efa vita voady teo anatrehan’ny tany sy ny lanitra e! Fahotako raha hamadika ny toky efa nomeko aho, ary indrindra mpirahavavy ianareo sy niry, hoy izy natahotra mafy sady tsy nahabanjina ny endrik’i noro. Hita ho resy ny lehilahy, nafeniny izany, ny perany no nosafosafoiny sy nodinidihiny teo, asa na nisy loto na ho inona ny tao an-dohany. Tsy namaly noro fa nifokofoko tao an-tratran’i nary tao. Nary kosa nisafosafo ity malalany vonjy maika. Zaran’ny vavy ary nisy toy izany dia niondanany malaky ny fon’ity efa nitepo an-jokiny. Variana nifampisafosafo teo izy roa ka samy resin-tory. Ny sasakalina vao tonga saina ilay mpindrana fitia ka nanoroka ity olon-dresin’ny fitiavany. Nojereny ny peratra teny amin’ny tanan’i nary an-kavia ary norohany izany, angamba mihomehy anaty ilay zoky resin-dravola any an-tany tsy fantany ka azy aloha ny sakafom-pitiavana, no manonofy ny hoe raha izy no nanatsofoka iny tamin’ny andro
Ambanifahitra
Tsy toerana natao hanovozan’ny mpianatra fahaizana amam-pahalalana hiatrehana fanadinana sy hahazoana diplaoma fotsiny ny sekoly. Natao indrindra koa izy hikarohana sy hanome izay hoenti- manana rehetra ilain’ny mpianatra hahafahany miatrika ny fiainana amin’ny lafiny rehetra. Izany no fanamby tian’ity fandaharam-panabeazana ity hotratrarina , commission episcopale pour l’education et l’enseignement catholique ceeec direction nationale de l’enseignement catholique dinec , op. Cit. , p.6
Toy izany sy toy izany ny momba ireo mpandray anjara tao amin’ny tantara foronina sy ny hevitra azo notakarina avy tamin’ny fomba nanoritsoritan’ny mpanoratra azy ireo. Ndeha hojerena indray ny fomba nifidianany sy nandokoany ny habaka. 3.2.1.2. Ny habaka
Existe -il un à payer ?
Ny raibe sy reniben’i jo andrianasolo niteraka ny rainy dia samy avy amin’ny faritra vakinankaratra iny avokoa. Ao sahatsiho atsinanana, antsirabe no misy ny fasana ilevenan’izy ireo, ary dia mbola any koa aza no heveriny fa hilevenan’ireto taranaka aoriana. Ny reniny indray dia avy any amin’ny faritra imamo iny no misy azy. Izany hoe raha oharina amin’antananarivo renivohitra dia samy avy any amin’ny faritra atsimo andrefana iny avokoa ny fiavian’ireo ray aman-dreny nipoiran’i jo andrianasolo. Mba manao ahoana ny mikasika ny fahazazany?
Mampita fahalalana ihany
Ny fiheveran ny olona ny anjara no foto-kevitra ijoroan io lahatsoratra io. Hovahavahana amin ny lohahevitra lehibe telo izany voalohany, ny antony inoan ny olona ny fisian ny anjara ratsy, faharoa, ny vokatr io finoana io, ny fahatelo kosa no hanazavana fa ny anjara tsara dia vokatry ny fiezahan ny tsirairay ihany i. Ny antony inoan ny olona ny fisian ny anjara ratsy
Entimody voafaritry ny toetra hendry ny hendry dia mpamaritra toetran’ny olona irery ihany fa tsy toetram-biby velively ; toetran’olona izay midika ho toetra tsara, toetra mendrika, tsara fanahy ny mifanohitra amin’ny hendry dia adala , maditra ny fahendrena, araka izany, dia anarana enti-manondro fombafomba amam-pihetsika ananan’ny olona iray ary ny olona irery ihany izay mifanaraka amin’ny tokony ho izy eo anivon’ny fiarahamonina. Azo tondroina hoe olona manam- pahendrena mantsy ny olona tsara toetra, ny olona manam-panahy andalana, ny olona mamy hoditra sy tsongoin’olombolo eo amin’ny fiarahamonina. Ny mifanohitra amin’ny fahendrena dia fahadalana sy fahaditrana f3-fihetsika kely f4-olona tsongoim-bolo, mamy hoditra hazavao ny hoe mamy hoditra eo amin’ny fiarahamonina , tsongoin’olombolo eo amin’ny fiarahamonina mandika lahatsoratra ao amin’ny lovako t11, t.168-169, ny fifandraisan’ny fahalalana sy fahendrena , charles ranaivo
Olivier de sardan, george balandier 238 g. Winter in l’anthropologie économique et le dévelopement
Miora has ina mija
Sahala amin’ny faritra rehetra, manana ny anjara asa sahaniny ny mponina ao an- toerana eo amin’ny lafiny sosialy, toe-karena, politika. Tsy afa-misaraka amin’ny olombelona andavanandro mantsy ny mpiara-belona sy ny fiarahamonina ary ny foto-pivelomana ny isam- batan’olona. Araka izany, mifamatotra amin’ny tontolo iainana mandrakariva ny fiainan’ny zanak’olombelona. Manamafy izay i fety michel fa mifampiankina hatrany ny zava-misy manodidina, ny fiainam-bahoaka, ny sivilizasiona ary ny fanabeazana16. Voarindra ny rafi- piarahamonina satria misy hatrany ny rafi-pandaminana sy ny rafi-pitondrana ifandaminan’ny olona miara-mitoetra ao amin’ny faritra. Misy akony betsaka eo amin’ny lafiny fitaizana sy fanabeazana ny fifandraisana ao anatin’izany.17 1-1-2-1 vitsy ny mponina
Ny lanjany tsy milaza mivantana fa manosika ny olona hamantatra ny tian- kambarany. Matetika very ny mpihaino, satria, tsy ampoizina ny tian-kambarany. Tsy mivantana mantsy fa miolaka amin’ny ohatrohatra sy ny sarin-teny 295 métaphore296