url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/foana-mangina | FOANA MANGINA | Fredy Jaofera | FOANA MANGINA
Foana mangina
ny fangirifiriana
nony nisy nitia
ny fo, matokia.
Foana mangina
izany fanahiana
nisinda tsy tana
toy ny nofafana.
Foana mangina
irony fanaviana
izay nanahirana
fony tsy mirana.
Foana mangina
ilay fahakiviana
ka hasambarana
no efa isantarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asaphs-mahane/tantara-mena | TANTARA MENA | Asaph's Mahane | Fa teneniko anao
Fa tsy afaka ao an-tsaiko
ilay salovan'endrikao
Andraso tantaraiko :
Izaho nandalo dia nitazana
Ianao tery an-davarangana
Nikopakopa-tanana
Mariky ny fihavanana.
Sariaka be loatra
Mambabo ny fijery
Ny foko izay nitroatra
no nitondra misitery.
Indray nitopy maso monja
Ny any anatiko manonja... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/echlie-aichlia-honnie/nifanojo | NIFANOJO | Echlie Aichlia Honnie | NIFANOJO
Nifanojo ilay fo
Samy tena tia
Iaraka isika roa
Handeha hiara-dia
Sy ireo vinavina rahatrizay
Hanorina ho mandrakizay
Nifanojo ilay saina
De samy nahazo aina
Nilamina ny eritreritra
Hanambatr'ilay hevitra
Hiaran'orina ny ho avy
Antsitrapo fa tsy niangavy
Avy ao ampo tokoa
Ilay fitiavantsika roa
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/tony-ihany | Tony ihany | Ny Hafatra RANDRIANTIANA | Tony ihany
Tsaroako tampoka izy,
Rehefa tafahitsoka ny masoko
Tamin’ny tahirin-tsary efa ela
Izay niarahanay naka tety an-tsisin-degilizy,
Nanomana sahady ny ho avy eny ambony alitara.
Sangy sy hanihany tsy lazaina intsony,
Rehefa tafahaona tamin’izany andro izany.
Ny fo tony dia tony,
Kanefa nisy fitempo,
Fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/echlie-aichlia-honnie/araraoty-dieny-mbola-tia | ARARAOTY DIENY MBOLA TIA | Echlie Aichlia Honnie | ARARAOTY DIENY MBOLA TIA
Rehefa tsy tinao aho
De aleo aho hitady hafa
Ilay fitia nomeko tsy mba tsapanao
Fa raha hiaritra eto aho de ny fo sy ny saiko voaratra
Ka rehefa tsy anjara
De ande hanova ny tantara
Mbola hotsaronao indray andro any
Rehefa iny aho ka nahita vaovao
Hahasolo ny toeranao
Ka ho sambatra e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mijanona-ho-izaho | MIJANONA HO IZAHO | Fredy Jaofera | MIJANONA HO IZAHO
Mijanona ho izaho
ny zavatra rehetra,
na zary tapa-taho
ity raozy mitoetra.
Mijanona ho izaho
ny safidy lavareny,
na tsy afa-nitalaho
fony vaka ombieny.
Mijanona ho izaho
ny tiako manontolo,
na maro tao ho ao
ny very tsy voasolo.
Mijanona ho izaho
ny fitia efa nizorana,
na indro mankala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahory | MAHORY | Fredy Jaofera | MAHORY
Tsy mahita tory
fa misy avelo
ny tarainako
rehefa mahory
mampalahelo
ny fiainako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamiko | MAMIKO | Fredy Jaofera | MAMIKO
Mahavariana,
sady mba tiana
ny mahita anao
miseho toy izao.
Mahalasa saina
raha ampitaina,
efa notadiavina
ka tsy ho lavina.
Mampiranga fitia
miteny, hoe, avia
hitobaka etoana
matoa irosoana.
Mitory hazavana
tsy haiko ialana
tsapa ho harena
raha mba jerena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miova-ny-omaly | MIOVA NY OMALY | Fredy Jaofera | MIOVA NY OMALY
Miova ny omala
sy miala ny jaly
raha toa anao
no zava-bao !
Miova ny omaly,
ny fo mba hifaly
fa nahazo tiana
efa ela nirina.
Miova ny omaly
fa feno molaly
nitana tantara
izay tsy tsara.
Miova ny omaly
ka ho voangaly
antaranoana,
na ahoana ?... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsiky-tokoa | TSIKY TOKOA | Fredy Jaofera | TSIKY TOKOA
Tsiky tokoa
no hazavana
afa-mamoha
ny hatsarana.
Tsiky tokoa
no hafaliana
marina aloha
vao fitahiana.
Tsiky tokoa
no toky ilaina
vao hisy soa
ny antenaina.
Tsiky tokoa
no efa harena
rehefa manoa
fa tsy noterena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/ati-doha | Ati-doha | Bob Ramanamiravaka | Ati-doha
Ianao irery ry ati-doha
No izy ilay tsy tia matory
Fa ny tianao di any ny mifoha
Mba tsy hisian’ny sorisory
Ny ati-doha mantsy dia betsaka fahavalo
Ka noho izany dia mila kojakojaina
Mila fiarovana satria mandala
Mba tsy hahatonga ny ati-doha ho malaina
Misy ihany anefa ireo zavatra ilainy
Noho izany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/aiza-moa-ianao | AIZA MOA IANAO ? | Njakahery ANDRIAMALALA | AIZA MOA IANAO ?
Aiza moa ianao ô r'izato fifaliako ?
Toa tsy tsaronao va re izay mbola fisiako?
Navelanao nangina, navelanao hisento
Dify mantsy ianao, koa velona ny sento
Noentinao va re, ilay tsiky vao maraina ?
Tsy navelanao akory, ny eto izao mangaina,
Moa ve ianao dia nankahala ahy sahady ?
Ka ndositra ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/hafatra | HAFATRA | RAVINALA | Rehefa hoe halevina aho dia aza asiana voninkazo
Mba ho fahatsiarovana ahy
Aza asiana zavatra maneno na hira gonigonina mankarary andoha
Raha sendra malahelo dia soraty taratasy
Ataovy ambony vata hatoriako
Ianareo namana sy tapaka aza misy iray akory
Mitady zava-tsarotra fa raiso ilay rano avy namasinina
Dia at... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mampisaraka | MAMPISARAKA | Fredy Jaofera | MAMPISARAKA
Rehefa mampisaraka
amin'ny olon-tiana
ny fitiavana,
manjary mandraraka
ireo hany fijaliana
lavitra avana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-ahy | HO AHY | Fredy Jaofera | HO AHY
Ho ahy
no eritreretiko
hiahy
tsy ho aretiko.
Ho ahy
no antenaiko
ka sahy
miasa ny saiko.
Ho ahy
no nanofisana
eto, lahy,
fa dia itokisana.
Ho ahy
ka notadiavina,
tsiahy
aza mba lavina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/lasa | LASA | ANDRY KANTO MENDRIKA | Lasa izany letsy ialahy dia,handao ny akama tsy mahafohy.
Ekeko hoe mamy letsy ny miaina,fa ny fiainana mitohy.
Dia handao ny akama ialahy,fa tsy afaka ho ferana.
Mafy ny fiainana toy ny lolo iray miserana
Veloma letsy namako an! veloma vetivety
Tadidio izao,ny fiainana kodiarana sarety.
Indraindray izy ambony,in... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/otanankizy | OTAN'ANKIZY | Fredy Jaofera | OTAN'ANKIZY
Otan'ankizy
nisy izaitsizy
ny nankany
tsy hita lany.
Otan'ankizy
tsy ambozizy
fa nirariana
ny fitoniana.
Otan'ankizy
tsy nisy krizy
fa niaina mora
toy ny tanora.
Otan'ankizy
ka topazo izy,
niova ho hafa
sy nampijafa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto/nanadina-ahy-ny-foko | Nanadina ahy ny foko | Zavona Rakoto | Nanadina ahy ny foko omaly tolak’andro,
Litera folo ihany anefa no naverimberiny,
Maminy hono ianao,sitraka sy teliny;
Asa lahy f’izany no redirediny ato
Nataony dika roa ho ato anaty foko ny teny hoe tiako ianao!
Dia indro fa natopiny ho ao anatinao ny singany ankiray
Fa hono raha hoe lany ‘lay iray anatiko ao,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nandaingana | NANDAINGANA | Fredy Jaofera | NANDAINGANA
Nandaingana
ny tenako tany
ka dia nialana
tamin-tomany.
Nandaingana
ka rava ho azy
irony fanajana
fa tsy vazivazy.
Nandaingana
ka very taona
tsy nisy lalàna
ho lavi-tsaona.
Nandaingana
ka ketraka eto,
zava-norarana
ny tany, raketo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-maraina | MISY MARAINA | Fredy Jaofera | MISY MARAINA
Misy maraina
vao mamoha
dia mamely
fa mampiaina
vao miandoha
sento kely !
Misy maraina
vao mitranga
dia manorana ;
raha lazaina,
be ora banga
no ifotorana.
Misy maraina
vao mihatra
dia mibaiko,
tiany hefaina
eto fatratra
ny lanjaiko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/aleo-ihany-aho-poeta | Aleo ihany aho poeta | Zavona Rakoto | ( Setrin'ilay Tononkalon'i Faniry Ezekiel "Raha izaho no zanahary)
Tsy hisora-tena ho zanahary tapany,
Na koa haniry manitra ny hasin-janahary,
Fa tokana no sary,ihany aho olombelona fa nihoatra kely fotsiny
Ny ampitso aza aho tsy tompony,
K’ahoana no hidongiako ny zavatra tsy takatro,
Ny zavatra efa fantatro aza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/talaho | Talaho | RAVINALA | Andriamanitra oo
Raha ho fahoriana no hiainako ety
Día ampio aho tsy hisaraka Aminao
Omeo fahoriana tsy hiantsaravelatsihy
Hatoky lalan-dava miaraka Aminao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izany-ka-bika | IZANY KA BIKA | Fredy Jaofera | IZANY KA BIKA
Izany ka bika
manaitra tokoa,
kanto ka adika
ho nofiko moa.
Izany ka bika
efa mahafanina
ka mahasariaka
rehefa tazanina.
Izany ka bika
mamelom-pitia
ka mampikiaka
ny feo hiray dia.
Izany ka bika
tiana hananana
mbola hibaliaka
ity fenomanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soa-ihany | SOA IHANY | Fredy Jaofera | SOA IHANY
Soa ihany,
hoy ny anio,
nisy izany
ka itsikio.
Soa ihany
fa mamoha
any ho any
ny taloha.
Soa ihany
fa maneho
eto hatrany
ny tsy toreo.
Soa ihany
fa mandefa
am-binany
izao ny efa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/ankizinise | ANKIZIN'ISE! | ANDRY KANTO MENDRIKA | Kanto sady tsara,ny ankizin'ise!
Soa ihany aho,fa efa mivavaka be
Fa ifonako raha sanatria...
Indray andro aho ho latsa-pitia
Rehefa alahady,hivoaka ny trano
Araho maso mihitsy,ary tazatazano
Fa izaho dia mivavaka be
Sao ho lasako,ny ankizin'ise!
Tsy tantiko mantsy raha fahadisoako
Ise! Dia ho feno toloko
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mpitsabo-maso | MPITSABO MASO | AORN | Tsapako eto fa nivoana
zany fo adaladalako
fa mitepo tsy fotoanany
Te handray anao: "malalako"
moa tsy rediredy koa
zato vavako tsy tanako
Nanonontonona anao
zay noheveriko ho fananako?
Indrisy manko ry mpitsabo
Mpitsabo maso tsy ho adinoko
taminao no latsa-paka
lay fitiavako fihiniko
Satry foana ndeha hila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/dingana | DINGANA | Fredy Jaofera | DINGANA
Rehefa ny dingana
tsy zakan'ny hafa,
indro voafingana
fa tiany ny hijafa.
Rehefa ny dingana
no tonga ialonana
dia indro aringana
ka saro-takonana.
Rehefa ny dingana
no miavaka etoana
dia hisy haningana
tsy ho haravoana.
Rehefa ny dingana
no mahasambatra,
be no handingana
vao iny miambatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/tefitefy | Tefitefy | tsiolaka | Tanivon-dohasahan'afo ravahin-kintana mihira
Misy zazavavy rano mihamientona ho zavona
Misonenika mandihy anaty soritra efamira
Mielo habaky ny nofy,tinafy lokon'avonavona
Misoratra eo an-jorondambany misy kajy tena lalina
Misy isa verin-droa ialohavan-telo fito sosona
Tonga refy,Tonga fatra,tsara lanja sady mari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/handao-anao | Handao anao | Ny Hafatra RANDRIANTIANA | Handao anao
Be hetraketraka loatra ianao ry tany fandalovana
Be mistery, ampoka toloko;
Nefa ny nofoko malemy, fo feno fahatsorana
Zary torotoro noho ny ady nihofo ho kanoto.
Raha mba fantatro mantsy, fa mpivahiny aho teto,
Angamba, ho niezaka aho nanao ny tsara;
Ny fanahiko nosoketain'alahelo mamelovelo
Rotsia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/afa-po | AFA-PO | Mahalia❤✨ | AFA-PO
Tsy hitady anao intsony
fa hiezaka hampitony
ilay fo maditra keliko.
Ny marina tsy afeniko
f'izy tena mbola mila anao!!!
Tsy nanam-po anao nandao
fa nanantena sady nino
hoe ianao tsy hanadino
N'inona n'inona manjo
satria mitia avy amin'ny fo
Saingy tsy afaka mamaritra
Tsy mahazo miady varotra
fa tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/dimy-taona-izay | Dimy taona izay | Zavona Rakoto | Dimy taona izay! ravarava zoro ny misy mba tinefy
Zary nisy fefy ny fifandraisa-mamy najoro sy nafatotra,
Nijanona fidoboka 'lay foko saika matotra nankafy anao.
Any an-dafy ise,i zandrikelinao no nampita vaovao!
(Tamiko)
Nandritry ny fotoana nisarahantsika dia sasatra aho nitady,
Sahy nanadihady sady koa nijoko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-fanantenana/sombiny | SombiNY | Vetso Fanantenana | Ao anatinao misy sombin’ny Mpahary
Afaka mandrary ny Paradisanao
Afaka manenona tontolo lavorary
Dia ho zary zavaboary izay nofisinao
Ka misia hoe ny nofy dia ho nofo ny nofy
Ho toy ny zaza menavava na ny vady tsara fofy ...
Mikarakara anao tsy harofy
Na hisy aretina hifofo
Ao anatinao misy sombina Mpanazary
T... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/ny-tononkalo | Ny Tononkalo | Ny Hafatra RANDRIANTIANA | Ny Tononkalo
Ny tononkalo, any rehetra any,
Manerana izao tontolo izao izy.
Lalina sy midadasika tsy hay refesina,
Mahafaly sy manome valiny,
Fa koa sarotra azo, misitery.
Miafina ao anatin’ny teny mora,
Ao amin’ny fijery sy fihetsika zaraina.
Ao izy rehefa misy aingam-panahy mifoha,
Ao anaty nofy tsotra fa ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/ny-voary | Ny Voary | Ny Hafatra RANDRIANTIANA | Ny Voary
Ny voary mamiratra, velona, tsy hay takarina,
Mameno ny lanitra, tany, rano sy rivotra,
Manenika izao tontolo izao ho fanomezana,
Mitondra hery, fiadanana ho antsika,
Hainy ihany ny mampifandray antsika rehetra.
Ny hazo avo dia avo, mitsangana tsy mihetsika,
Manome aloka sy aina ho an’ny tany efa reraka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/krizy | KRIZY | Fredy Jaofera | KRIZY
Krizy ny rano
lasa angano
ka mampijaly
raha atontaly.
Krizy ny jiro
mainka " idiro "
ka manadala,
tsy afa-miala.
Krizy ny vola
toa mahasola
ka ny hivoatra,
tsy misy loatra.
Krizy ny tany
ka manontany
raha hiova re
no nofy ange. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/mitomania-ry-fireneko | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/fivoarantsika | Fivoarantsika | Ny Hafatra RANDRIANTIANA | Fivoarantsika
Làlana andeha ho aiza moa izato izorana?
Toa làlana feno mistery tsy voafafa,
Manavizana ny aina lavitra fatorana,
Mahaverivery saina, toa misaritaka.
Misy ny milaza hoe: fandrosoana,
Nefa mandroso mankaiza re?
Ny hafa mitory izany ho fanatontoloana,
Fa toa andron’ny seza, tsy andron’ny fandeferan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/faniriana-hafahafa | Faniriana hafahafa | RAVINALA | Efa ela ihany no naniriako ny hiaina fiainana hafahafa
Hafa tena hafa tsy itambarako amin’ny hafa
Ny fitia mba niriako hanjary lasa fonja
Vato mahamay mahery noho ny onja
Sitrako ary satriko raha hanjary tady vy
Tsy misy hahavaha mandritra izay mba fianako ety an-tany ety
Ho hazofijaliana tsy hisy hahazaka fa ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-no-vitany | IZAY NO VITANY | Fredy Jaofera | IZAY NO VITANY
Izay no vitany,
izay no hitany
mendrika ahy
ka ory fanahy.
Izay no hainy,
izay no sainy
nasesiny lava
ka malo-tava.
Izay no tiany
sy izay niriny
raha moana
mijaly foana.
Izay no foiny
sy tsy nitony
ka nisintaka
fa voafitaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto/dom-berina | DOM-BERINA | Zavona Rakoto | Misy tanimbary dia misy tanimboly,
Misy Zanahary dia misy koa Devoly,
Misy te hitia dia misy te hotiavina,
Misy mankafy dia misy mahatsiravina.
Halako hany izao e!
Vao misy tebiteby,dia misy tabataba,
Vao misy tobitoby dia misy tebatebaka,
Misy tia manary,dia misy tia mitady.
Misy indray mopera kanea manambady.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/oksizena | OKSIZENA | Fredy Jaofera | OKSIZENA
Ny fitiavan'Andriamanitra
no oksizenan'ny fanahiko
mandrakizay doria ;
izany re no mamangitra
ity finoana izay arahiko
hahalavorary ny dia.
( Oksizena : oxygène) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto/aelonambiroa | AVELON'AMBIROA | Zavona Rakoto | Eto ampandinihana ny raki-tsarintsika no zary toa tsaroako!
miverina ato ampoko fa teto ianao no dila,
tsy akory aho hoe tsy nila,indrinda nankahala
fa...rantsana efa ngoly tsy mila fofom-bala
hamolaka fanidy,angamba izay no didy.
voabanjiko maharitra teo ny sarinao mihazona ny tanako,
lasam-borona aho! Raha teto... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eo-aminny-fiainana | EO AMIN'NY FIAINANA | Fredy Jaofera | EO AMIN'NY FIAINANA
Aza lava fisainana
fa ny iverenana
anio dia izao :
eo amin'ny fiainana
dia tsy anenenana
izay tsy natao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamaritra | MAMARITRA | Fredy Jaofera | MAMARITRA
Miletra
irony famaizana
rehefa tia raorao ;
ny toetra
fa tsy ny fahaizana
no mamaritra anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsy-mety | REHEFA TSY METY | Fredy Jaofera | REHEFA TSY METY
Rehefa tsy mety
'zay zavatra vita,
hanjary vetivety
tsiny no ho hita.
Rehefa tsy mety
ny fifanarahana
dia ho avy hitety
ny fifanebahana.
Rehefa tsy mety
ny hiray tarigetra,
ho nofy ny hifety
ho an'ny rehetra.
Rehefa tsy mety
ny fifankatiavana
dia hisosa ho ety
ny mba hihavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maso-lena | MASO LENA | Fredy Jaofera | MASO LENA
Maso lena
no azo adika
rehefa jerena
ny sarintsika.
Maso lena
mampitoetra
fosa nomena
raha mitsetra.
Maso lena
mampitaona
ireo tangena
mitaky saona.
Maso lena
mampiranga
ny nobabena
fa tsy kinanga. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/andramako | Andramako | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Andramandramako ihany
Ny hanipitsipy vato
Ho eny an-tamponao
R’ilay ankaratra iny.
Sao ho voafafa ihany
Tsy voatahiry intsony
Ao anatinao
Ny omaly sy ny lasako.
Andrao ho tototra any
‘Lay dongontanim-pasako
Norakofan-tsilo
Tao an-taponao;
Tsy hisy hahatsiaro intsony,
Andramandramako ihany
Ny hanipitsipy v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/fetinny-maty | Fetin'ny Maty | tsiolaka | ity andronareo ity malaza
saingy fety tsy fombako akory
fa iezaka aho ny iarahaba
anareo maty izay tafavory
koa tolorana ny arahaba
Ireo ray izay mandositra adidy
sahy namela ho kamboty ny Zaza
nampitondra Ilay reny ny ngidy
Arahabaina ihany koa ireo reny
sahy nanary an'ireo taranany
nifidy hanaraka Ilay vadi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ailika | AILIKA | Fredy Jaofera | AILIKA
Ailika amin'ny hafa
ireny fahavoazana
rehefa indro mitafa,
n'aiza n'aiza tazana.
Ailika amin'ny hafa
ny hany fahantrana
ka mamela sahafa
tsy ho hita, mazàna.
Ailika amin'ny hafa
ny fahasahiranana
rehefa tsy voafafa
na tsy hay foanana.
Ailika amin'ny hafa
anio ny fihemorana
ka vahoaka mijafa
no mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/echlie-aichlia-honnie-princesse-star-of-jesus-eahpsoj/dia-sahinao-ve | Dia sahinao ve ?? | Echlie Aichlia Honnie | DIA SAHINAO VE???
Sahinao namitaka ny foko
Zao lasa tô mitoloko
Ilay fo tena latsa-paka
Voa totohondry no sady voadaka
Malaelo a e!!!
Malaelo a fa mba nanantena
Kay fitaka ilay fanekena
Toky nomenao isankarazany
Voafitakao ilay fahombiazany
Fampanantenaina nomenao rehetra
Tsy mandrakizay kay fa misy fetra
T... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manjary | MANJARY | Fredy Jaofera | MANJARY
Manjary tsy haiko
ny zavatra atao
rehefa ny saiko
mankany aminao.
Manjary tsy vita
ireo fikasana
rehefa ny hita
tsy mahatamana.
Manjary tsy tratra
ireo tarigetra
rehefa zatra
misento, mitsetra.
Manjary tsy tonga
ireo torimaso
vao mironga
eto ireo ranomaso. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/sao-tsy-rariny | Sao tsy rariny | tsiolaka | zandry a! iny zanak'olona iny lehitsy aza anaovana antsojay a
nitia tamin'ny fony izy ,nikasa hoe mandrankizay
saingy izao izy mangaina fa ialahy ilay tena ilaina
no nandratra ilay fony itambesaran'ny taraina
Sao lahy mba tsy rariny !
zandry a! ny zioga nemenao hiantsorohany tsy laitra
ketraka ny fony, f'ialahy i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mbola-aotra | MBOLA AOTRA | AORN | Misy olona any ho any
Angamba tsisy atao
dia satry te ha(ha)fantatra
ny sombim-piainanao
dia tia misikotsikotra
Fa tsy mahazo aina
raha tsy mitakoritsika
dia tia manita-tsaina
Idirany avokoa
Zay momba anao rehetra
Dia ivakiany loha
Ny fomba sy ny toetra
avy eo dia mitantara
zay hitany aminao
Sady izy tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lasa-anao | LASA ANAO | Fredy Jaofera | LASA ANAO
Lasa anao ny foko
tojo fahasambarana
ka nisinda ny toloko
fa efa fandaharana.
Lasa anao ny foko
velon-kira moramora
ka nanjary niova loko
ny alahelo tsy tanora.
Lasa anao ny foko
nahazo ilay fitiavana
efa ela be nantsoiko
tsy mivoy fandavana.
Lasa anao ny foko
finaritra eto ombieny,
nofinofy no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mafy-avokoa | MAFY AVOKOA | Fredy Jaofera | MAFY AVOKOA
Raha misasatra
isan'ora
mila hankalao,
tsy misy zavatra
azo mora
amin'izay atao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/andalam-pamafana | ANDALAM-PAMAFANA | DADAFARAtolotra | Misy ranomaso tsy mitsahatra miraraka
Misy horonan-tady efa madiva ho tafavaraka
Misy horakoraka tsy handrenesam- peo
Dia misy koa fitiavana efa tofoka sy leo
Ka hanadino anao!
Misy fahazavana efa akaiky ho sasakalina
Misy horonan-damba tsy mitsahatra mivalona
Misy saina koa mangarika sy mankahala
Miezaka manil... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iaraha-mahalala-2 | IARAHA-MAHALALA | Fredy Jaofera | IARAHA-MAHALALA
Iaraha-mahalala
ny fahasahiranana
maro manadala
tsy hay sakanana.
Iaraha-mahalala
ny hany fahantrana
misy sy tsy miala
izay sarotra fafana.
Iaraha-mahalala
ny hetsi-pitarainana
tsapa ho mijoala
fa ratsy ny fiainana...
Inona loatra re izao ?
Misy ve andraikitra ?
Tsy hita izay natao
nefa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mbola-tiako-ihany | MBOLA TIAKO IHANY | Fredy Jaofera | MBOLA TIAKO IHANY
Mbola tiako ihany
ny hamoha ny lasa,
na dia tsy hankany
fa azon'ireo lahasa.
Mbola tiako ihany
ny hihaona indray
rehefa manontany
ny ora indraindray.
Mbola tiako ihany
ny hamerina irery
ny tsika ka injany
tonga fa tsy very.
Mbola tiako ihany
ny hahatsiaro anao
rehefa lasa vinany
sy ori... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitomany | MITOMANY | Fredy Jaofera | MITOMANY
Ny manorisory,
tsy tiana harovana
fa tonga ihany :
rehefa mahory
ny fahatsiarovana
dia mitomany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ady-fa-tsy-sento | ADY FA TSY SENTO | AORN | Raha mbola misy ihany
masoandro zay miposaka
avy atsinanana any...
Toneo aloha ny fo
dia atrakao ny loha
Fafao ny ranomaso
Na betsaka ny ankaso
Tsy maintsy hamiratra eo
Lay andronao manjombona
Nampisy ny toreo...
Ka maso vao indray
Sy saina mbola vonona
no aoka iainananao
fa tsy hoe ho faraidiny
Hitelina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/tandremo-lahy | TANDREMO LAHY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Tandremo lahy,
fa eo amin'ny fiainana,
be ny tanalahy,
ratsy foto-pisainana.
Tandremo fa matetika,
ny tena akaiky anao,
no mazàna mitetika,
ny hidarabohanao.
Tandremo fa misy mody,
miseho ho tena namana,
no tsy matahotody,
tsara kokoa tsy manana.
Tandremo fa amin'ireo,
nandaniana hery nobeazina,
no lasa t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mo-zo/misaotra-ani-neny | Misaotra an'i neny | Mo-zo | Fisaorana no atolotro ombieny
Ho azy izay nikarakara
Ho azy nananatra tsara
Misaotra anao re ry neny
Izy tsy malemilemy
Fa miezaka ombieny ombieny
Manao izay farany tratrany
Mba hatafita ny zanany
Ka fisaorana no atolotro anao
Ho anao izay tsy mba nandao
Nanarona ireo karazam-pery
Mbola misaotra anao re ry n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mo-zo/mbola-misy-dikany-ve-ny-fiainako | Mbola misy dikany ve ny fiainako | Mo-zo | Mbola misy dikany ve ny fiainako
Mitombo ny andro dia mitombo ny olako
Mande ny volana dia mitombo ny ranomaso latsaka
Mandalo ny taona dia vao maika aho tsy afaka
Maro tsy vao tanisa ny olana sedraiko
Kanefa eto an-tany tsy misy antenaiko
Fa dia miady rery tsy mba misy hianteherana
Fa dia voatositosika fa raozy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/tsy-hoe-mangina-izy | TSY HOE MANGINA IZY ... | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Tsy hoe mangina izy,
dia midika fa tsisy ny olana,
na efa voavaha ny fatorana ;
ka ho azo atao ny tsy fanao,
amin’izao vaninandro izao.
Tsy hoe mangina izy,
dia tsara, milamina ny fiainany,
tsy misy intsony ny fitarainany ;
mandry fahalemana ny tany,
lavitry ny sento sy ny tomany.
Tsy hoe mangina izy,
dia va... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miteny-anao | MITENY ANAO | Fredy Jaofera | MITENY ANAO
Miteny anao daholo
izay zavatra rehetra
ka topazo ny tontolo
fa zary mampitoetra.
Miteny anao daholo
ireo hafaliana maro
tsy mba bobongolo
sy mahasaro-piaro.
Miteny anao daholo
ireny nofinofy tiana
sarobidy sy voakolo
tsapa ho tsy zovina.
Miteny anao daholo
ireo ainga isan'andro
mbola tsy hay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/tsy-nahim-pony | Tsy nahim-pony | Heriarilala Andriamamonjy | TSY NAHIM-PONY
Tsy misy vehivavy maniry hanala aina mitsaika kely anatiny
Tsy misy vehivavy hivonona hangaina hamono ilay nafafiny
Fa ny enji-dresinao no lohanaron-keloka nanosika azy hanota
Ny tondro-molotrao moa azonao veroka fa tena sotasota ?
“Esory io” hoy ilay tiany fa izaho tsy mbola vonona
“maditra loat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/roso-ny-dia | ROSO NY DIA | Fredy Jaofera | ROSO NY DIA
Roso ny dia
hizotra ho any
fa misy fitia
tsy mety lany.
Roso ny dia
fa ny alahelo
no mangia
efa ho in-telo.
Roso ny dia
fa ela tsy hita
raha minia
mba hiampita.
Roso ny dia
fa te hihaona
ka matokia
f'efa mitaona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-irery | REHEFA IRERY | Fredy Jaofera | REHEFA IRERY
Rehefa irery
amin'ny alina
ny tenako ange,
tonga mahery
no sady lalina
ny alaheloko re. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ireo-tsara-sitrapo | IREO TSARA SITRAPO | Fredy Jaofera | IREO TSARA SITRAPO
Ireo tsara sitrapo
dia aza sakanana
rehefa manasoa
izay fitantanana.
Ireo tsara sitrapo
dia aza haratsina
rehefa tsapa moa
fa tsara faniriana.
Ireo tsara sitrapo
dia aza topazana
rehefa kivy tokoa
fa miasa mazana.
Ireo tsara sitrapo
dia aza rebirebena
fa tsinjovy avokoa
fa ho an'ny fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/tady-mamatotra-antsika | TADY MAMATOTRA ANTSIKA | DADAFARAtolotra | Ny antsika fitiavana tokana monja
Ny antsika fitiavana mahazaka fonja
Ny antsika fitiavana tsy mety may
Ny antsika fitiavana mandrakizay
Ny antsika fitiavana tsy azo sakanana
Ny antsika fitiavana tia fihavanana
Ny antsika fitiavana mahasedra mafy
Ny antsika fitia tsy mahay mampirafy
Ny antsika fitiavana tsy mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mo-zo/nahoana-kay | Nahoana kay | Mo-zo | Nahoana kay ianao no toa tsy miala an-tsaina
Na dia efa manadino aza aho toa lasa very maina
Na tsy eo intsony aza 'lay endrikao nambabo indray niserana ahy
Ny tandindon'ny fitia mandoro sy manaloka mandratra ny fanahy
Nahoana kay ny tsikinao no namelina ny fiainako
Zao zary rava izy nisoko ho takaitrako
Nanjary ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsy-vitanao | REHEFA TSY VITANAO | Fredy Jaofera | REHEFA TSY VITANAO
Rehefa tsy vitanao
no nanasoa ny tena
dia veloma fa izaho,
nizaka be tangena.
Rehefa tsy vitanao
no nanala ny tsiloko
dia aleo re handao
fa tsy mba faniloko.
Rehefa tsy vitanao
no nanova ny lasako
dia aza eny be lazao
fa toky no andrasako.
Rehefa tsy vitanao
no nitondra ny tiako
dia ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/trotraka0 | Trotraka | Heriarilala Andriamamonjy | Trotraka
Mavesatra !
Mihaketraka !
Ny foko ve hitresaka ?
Lalovana !
Torovana !
He ! Fadiranovana !
Ongaina !
Mangaina !
He ! Miferinaina !
Voafefy !
Handresy !
Indrisy tsy mba fetsy ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hafa-ny-reny | HAFA NY RENY | Fredy Jaofera | HAFA NY RENY
Ny teny
be fitoniana
saro-bonoina :
ny reny
no fitahiana
tsy azo soloina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/voady | VOADY | Rabarison Roberto Stephan | VOADY
Fa na ony maro aza
Tsy hafaty ny afom-pitiavana
Sahiko eto ny milaza
Fa ho anao irery aho rahavako
Eto anatrehan'andriamanitra
Ny tany , ary ny tontolo
Fa tena vonona aho hiaritra
Ny amiko ho anao daholo
Tsy sanatria antendromolotra
Fa ny fo no efa miteny
Anjara ianao fa tsy hoe nantolotra
Ka ho tiavi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fotoana-voarara | FOTOANA VOARARA | Fredy Jaofera | FOTOANA VOARARA
Fotoana voarara
no nifankahitana
ka azoko ambara
fa tsy hay fafana.
Fotoana voarara
nahafinaritra ery
ka tonga niafara
ho rindra hatraty.
Fotoana voarara
azom-piadanana
nanova ny anjara
izay nosakanana.
Fotoana voarara
nampiranga fitia
namboatra tsara
ny tigetra sy dia. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zaida/ambinny-lasa-manandratra-ny-nofiny-ho-avy | Ambin'ny lasa, manandratra ny nofiny ho avy | Zaida | Siokam-boronkely toa mitaraina no nanaitra ahy maraina
Novahaiko ny varavaran-kely, izany fofona zavamanitra toa nandrakotra lanitra
No nitsena izato tontolo, toa rakotra fery
Ka nahatonga ahy isento irery.
Kay ny ao atsimo miondana amin'ny hafanana sy mangidin'ny "kafé" mitaraina
Ka na avy lavitra aza dia efa ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjas-nanta/feno-ny-fepetra | Feno ny fepetra | Anja's Nanta | Afapo ny olona rehetra
Ka samy sahy milaza fa " feno ny fepetra "
Nitolona mafy ity henakisoa
Efa atenda izy ity ka aoka kely aloha
Henakisoa narahina amin'ny ravitoto
Ny tsikitsiky mandeha ihany amin'ity nify maloto
Teo ihany koa ny hanana sy saosisy
Izay nalaina avy any amin'ny 3206
Niavaka kely ny anay ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/afeniny | Afeniny | Heriarilala Andriamamonjy | Tsaroako ny omaliny
Raha hitako ny androaniny
K'izaho saika hilaza taminy
Nefa, avy dia najanony
"Aoka ihany hoy izy
Aoka ianao tsy ho kivy
Fa zakako eto ihany
Ny hiaritra an'izany"
Dia kotsa ny aty foko
Nefa, moa ve hadisoako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hotsaroana | HOTSAROANA | Fredy Jaofera | HOTSAROANA
Raha te ho lavi-pahamaizinana
sy higoka haravoana,
n'aiza n'aiza mitoetra :
fanoloran-tena sy fahamarinana
no fototra hotsaroana
amin'ny fotoana rehetra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tena-tiako | NY TENA TIAKO | Fredy Jaofera | NY TENA TIAKO
Ny tena tiako
dia ho ahy ianao
ka tsy ariako
ny toky tao ho ao.
Ny tena tiako
dia hiaraka isika,
sady irariako
mba hahasariaka.
Ny tena tiako
dia ho iray etoana
tsy ho fijaliako,
na inona irosoana.
Ny tena tiako
dia hanaiky izany,
tsy ampiako
hahasoa ny tany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-lasa | TSY LASA | Fredy Jaofera | TSY LASA
Hatramin'izao,
na misy toloko
malaky,
tsy lasa ianao
fa ato am-poko,
ry Ikaky. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahatokiana | FAHATOKIANA | Fredy Jaofera | FAHATOKIANA
Ny tsindriana
tsy indray mandeha
fa satry aza hiitatra :
ny fahatokiana,
azo isaky ny mitete
fa very amin'ny litatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpiangalypoezia-zo-harinirina/takelaka-vaovao-somary-slam | Takelaka | MpiangalyPoezia (Zo Harinirina) | TAKELAKA,
Nilaza ny hamadika takelaka aho teto
Nefa tsy foiko avela ireto takolakao ireto
Hiverenako ireo andro alohan'ny androany
Anatin'ny andro iray isika impolo mifandramatra
Izaho maditra, ianao no mpananatra
Ireo voady nifanomezana natao teny filamatra
Miady foana isika nefa tsy nifankafoy
Isaraka ho vita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/trotraka | Ao mitsiririta | Heriarilala Andriamamonjy | Ao mitsiririta
Ao mitsiririta
fa ny antsika efa tsy ho hita !
Ekena, nisy nofy anao
nahatsiaro tia anao
Fa...
Ity no tsy azo lavina
nihelina, nanjavona !
Ao mitsiririta
fa tsy ianao no paradisa !
Ekena, naniry mafy anao
adala taminao
Fa...
Nihamatotra ny saina
Tsy ianao kay ilay ilaina !
Ao mitsiririta
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nohenjanina | NOHENJANINA | Fredy Jaofera | NOHENJANINA
Nohenjanina
re ny fiainako
hahavalalanina
ny marainako.
Nohenjanina
re izay tqnjoko
fa nahafanina
teny ny anjoko.
Nohenjanina
re ny tontoloko
tsy hisy hanina,
hiala ny voloko.
Nohenjanina
re itony orako
sy novizanina
tsy hitsorako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahoriako | NY FAHORIAKO | Fredy Jaofera | NY FAHORIAKO
Ny fahoriako,
tsy fahoriany
ka tsy iriko
ankehitriny.
Ny ahiahiko,
tsy ahiahiny ;
ny fanahiko,
tsy fanahiny.
Ny fisainako,
tsy fisainany ;
ny tarainako,
tsy tarainany.
Ny hafaliako,
tsy hafaliany
ka tsy tiako
fa tsy tiany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/aleo-tsy-mila-kisa | ALEO TSY MILA KISA! | AORN | Raha toa ka ny olon-tiana
Tsikaritrao variana
Dia mampisalasala
Lay fo adaladala
Dia lasa miova toetra
Ndraindray toa manjoretra
Na koa mitsiky tampoka
Ny sainy tsy mifantoka
dia lasa tsy miraika
na hoe fotoana maika
Ianao no entim-po
fa tsy hamakiany loha
Mba fantatrao ny antony?
Ny momba anao nakatony
f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanaperana/tovovavy-hono-aho | ... Tovovavy hono aho ... | Fanaperana | Dia ....
Tokony ho maontina amin'ny resaka fitafiana,
Tsy tokony hanao akanjo mampihetsika filàna
Fa izany no maha-dangitra ny lahy dia avy eo manolana
Hahaha ... fa fisainana avy aiza ?
Zareo no efa ratsy taiza ,
Zareo no efa tsy voahanatra tany
Dia nahoana aho no terena mba hanao izay hampilamina azy ?
Fa to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/mitomaniza-ianao-ry-foko | MITOMANIZA IANAO RY FOKO | DADAFARAtolotra | Marary indray ianao ry foko satria migoka fahoriana
Toa sady mitomany koa,f'angaha nilaozan'olon-tina
Toa lasa ranomaso indray ilay hikahikam-pahasambarana
Izay fisalotrao fahiny, isaky ny varavarana
Ka mitomaniza ianao!
Mafaitra loatra toa tangena,tena mafy tena mafy
Tsy nampoizina mihitsy, ny silakao kay mampir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/matanjaka | MATANJAKA | Fredy Jaofera | MATANJAKA
Tsy mba ahindrahindra,
na betsaka ireo mitanila
tsy handresena hatrany ;
ny ady mafy indrindra
dia omena ny miaramila
izay matanjaka aok'izany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimanadino-jean-noel/mangataka-ny-fitiavanao-album-aina-nafindra-efa-rota-kanefa-nisy-nadika-ihany | MANGATAKA NY FITIAVANAO ( Album Aina Nafindra ) = Efa rota kanefa nisy nadika ihany | RATSIMANADINO JEAN NOEL | MANGATAKA NY FITIAVANAO
Aasanao ry Nantenaiko
Raha hanolotra fandavana .
Eny, mantsy ry lalaiko ;
Tsy an-tery ny fitiavana .
Tamin'ny ora sy segondra
Nahitako anao niserana ,
Eny , mantsy ry lalaiko ;
Fa tsy an-tery ny fitiavana .
Isotry : 30.10.1998 RATSIMANADINO Jean Noël |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-tohanana | AZA TOHANANA | Fredy Jaofera | AZA TOHANANA
Aza tohanana
izao akory
fa mivaivay :
samy manana
hira mahory
ny tsirairay. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hianoka | HIANOKA ! | AORN | Hianoka ianao ka hianoka !
hianoka fahasambarana
hianoka fahafinaretana
Izany ka tena fitia !
Manjamba ny saina hankafy
Hanovo fiadanan-tsy ritra
Hianoka ny paradisa
Hianoka ianao ka hianoka !
Hianoka ilay hafaliana
Hianoka ilay nofy mamy
D'Injao fa midoboka etoana
Lay fo efa zatra nimaona
Hianoka ilay fani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sakaizanny-kanto/andro-iray | ANDRO IRAY | SAKAIZAN'NY KANTO | ANDRO IRAY
Dia nisonga moramora
Avy lavitra tsy hita
Ilay tsiaroko ny lasa...,
Nankamamy 'lay sakaiza ;
Dia ilay tokiko tsy lefy .
Andri-Fara no nomena
Dia tsy nety koa ny peniko ,
Raha tsy hikalo tononkalo
Mba ho rakitra tsy maty
'lay fisiana toa nandalo
10.11.95 ( Andro nahaterahany ) Sakaizan'ny Kanto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hitabataba | HITABATABA | Fredy Jaofera | HITABATABA
Halaviro ny fisentoana
amin'izay zavatra atao,
na misy mazana ;
tohizo ny ezaka etoana
fa hitabataba ho anao
ny fahombiazana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara/ny-amikony-zanako-album-aina-nafindra | NY AMIKO...NY ZANAKO | ANJARA | NY AMIKO...NY ZANAKO
Tonga tsy niriana
Sady nahabe fifaliana .
Saingy ny zanako...,
Zanako tsy azoko ariana ;
Na dia hitondrako fahoriana .
Ny zanako...,
Izy no voalohan-karenako
Ny zanako...;
Izy no fialam-boliko ,
Hitoeran'ny fitiavako .
Satria...
Sombiniako , mamy sy teliko
Tsy foiko fa ahy
Ny Zanako..... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirinirina-aina/dia-tsy-nety-album-aina-nafindra | DIA TSY NETY | TAHIRINIRINA AINA | DIA TSY NETY
Andro iray tsy adinoina
Andro iray nifamotoana .
Reny iray...Zazalahy !
Nikorana...Tafaray...
Ny Andri-Fara sy dimby rahatrizay .
10.11.95 ( Andro Nahaterahany ) Tahirinirina Aina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/loharanon-kery | LOHARANON-KERY | Fredy Jaofera | LOHARANON-KERY
Na inona mamery,
hoy aho mahitsy,
be fahamalinana :
loharanon-kery
lehibe mihitsy
ny fanginana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tapaka-ny-jiro | TAPAKA NY JIRO | NY Andri-Fara | TAPAKA NY JIRO
Noheveriko fa variana ianao
Ka tsy mahafantatra ny tiako ambara .
Ny zava-nisy sy tsy misy...,
Ireo ihany no tiako ho am-pitaina .
Rehefa tapaka ny jiro
Dia tsy misy koa ny rano.
Raha ny rano no tsy misy ;
Dia tsy misy koa ny jiro .
Isika mihevitra tsy diso
Kanefa izao no tadidio …,
Nosimbaint... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.