url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/echlie-aichlia-honnie/teneno-ny-marina | TENENO NY MARINA | Echlie Aichlia Honnie | TENENO NY MARINA
Teneno, teneno ho'ah ny marina
Nahoana no de afenimpenina
Aholakolana tsy tenenina
Nahoana no de kobokobonina
Hodina fanina hodiana marenina!
Nahoana raha lazaina
Nahoana raha mba tantaraina
Maninona misalasala
Rehefa sokirina de mody mangovitra ny molotra
Rehefa mba terena de ty maso roa no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/ny-tahotra | Ny tahotra | RODER | NY TAHOTRA
Ny tahotra dia avy anaty
Herimisoka toa rivompanala
Rivom-panala tanteraka anaty
Mahatonga ny fiforetana anaty
Ny tahotra dia zavatra ngeza
Mangeza mampijaly ny tena
Tena zavatra mangeza
Tsy afaka jerena
Fa io tahotra io ady
Ady atao hoanao
Dia raiso ataovy adidy
Ireo halemenao . |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asaphs-mahane/ny-feonao | NY FEONAO | Asaph's Mahane | Ny feonao raha manako,
Toy ny riaka mikoriana,
Maneno mangina ny foko,
Toy ny vorona ampitsikiana.
Ny hira hirainao,
Mampitsiry hafaliana,
Ka babo tanteraka aho,
Anaty feonao mangina. ?
Rehefa mihira ianao,
Ny lanitra toa mitalaho
Ny alina manjombona
Lasa mazava tsy voatonona ;
Mihirà foana amin'ny hika
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/krismasy-mahafinaritra | KRISMASY MAHAFINARITRA | Fredy Jaofera | KRISMASY MAHAFINARITRA
Ny marina tsy ho lo
mahavariana mahasariaka
sy tsaroana tsy voafaritra :
krismasy ao am-po
no mametraka ho antsika
krismasy mahafinaritra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nanoratana | NANORATANA | Fredy Jaofera | NANORATANA
Ny alahelo
no nanoratana
efa in-telo
sy nivantana.
Hafahafa
ka ny amintsika,
mampijafa
sy mila hasiaka.
Samirery
ka mampahory
Itony fery
izay manorisory.
Mila anao
ka dia lanjaina
ny eto izao
sy andrandraina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-ao | RAHA AO | Fredy Jaofera | RAHA AO
Ny soa hahatongavana
any amin'ny toky foana
izay tsy nitarina
dia raha ao ny fitiavana,
tsy ho resin'ny fotoana
rehefa marina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mpamonjy | MPAMONJY | Fredy Jaofera | MPAMONJY
Be ny hafaliana
fa Mpamonjy no tonga
eto an-tany ;
izao no fitahiana
manjary mampironga
laza aok'izany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rmlydia/fa | FA..... | RMLYDIA | FA…..
Fa raha mbola misy ny andro
Ka mbola hiposaka koa ny masoandro
Dia tsy mba ho foana ny fanantenako
Ary izany dia tsy mba hisalasalako
Fa raha mbola misy ny maraina
Izaho dia hiezaka ka tsy halaina
Fa ny anjara dia ao aloha ao
Ka izaho tsy ho kivy na hitalao
Fa ny alina dia mbola hazava
Ary ireo fahoriak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/fitia-tsy-mety-lany | FITIA TSY METY LANY | DADAFARAtolotra | Hanoratra ho an'iza izato tanako androany
Miraraka ho an'iza ihany koa ireo tomany
Nofy mantsy isika anaty bokim-piankohonana
Nofy ihany koa ny hoe tafaraka tokonana
Dia ho aiza 'zany isika!
Inona no azo tanterahana hiraisana
Samy babo isika, ka mbý mahita faisana
Ho vitam-pangalarana fotoana tsy voatohitra
Ila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fetini-kristy | FETIN'I KRISTY | Fredy Jaofera | FETIN'I KRISTY
Fetin'i Kristy
no ankatoavina
fa manam-pitia
tsy azo lavina !
Fetin'i Kristy
no ankalazaina
ka eny mihobia
fa aza malaina.
Fetin'i Kristy
no isahiranana,
na aiza, mifalia
f'efa fiadanana.
Fetin'i Kristy
no ivavahana
ka dia mitokia
fa io mibahana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tantara-mahafinaritra | TANTARA MAHAFINARITRA | Fredy Jaofera | TANTARA MAHAFINARITRA
Tantara mahafinaritra
ho an'izao tontolo izao
izany krismasy izany ;
fotoana iray tsikaritra
mahafaly fa vaovao
ny Tompo teraka any. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/sao-tsy-rariny0 | sao tsy rariny! | tsiolaka | zandry a! iny zanak'olona iny lehitsy aza anaovana antsojay a
nitia tamin'ny fony izy ,nikasa hoe mandrakizay
saingy izao izy mangaina fa ialahy ilay tena ilaina
no nandratra ilay fony itambesaran'ny taraina
Sao lahy mba tsy rariny !
zandry a! ny zioga nemenao hiantsorohany tsy laitra
ketraka ny fony, f'ialahy il... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/mianavarata | MIANAVARATA | tsiolaka | Tsy hisy sorohitra ho tonga fody
fa samy amin'ny sata nataon-Janahary
raha hiatsinanana i masoandro mody
Dia mety azo heritreretina izany
Raha ririnina ny andro dia mitovy volo
satria fahendrena ny manetry tena
ny ankoay tsy hivadika ho vorondolo
Ny sorohitra tsy afaka ho fodilahimena
ny anaran-tanana no tsy b... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fa | FA | Fredy Jaofera | FA
Tsy manome
fa mangataka
no betsaka re
manatataka.
Tsy manampy
fa mitsentsitra
no vatolampy
tonga hentitra.
Tsy misahirana
fa mangalatra
no soa Ifikirana
tsy mitsahatra.
Tsy manambony
fa manambany
no efa mamony
mahabe vinany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rmlydia/aza-lavina | AZA LAVINA | RMLYDIA | AZA LAVINA
Tsy haiko atao ny hangina
Ka tsy hamboraka ity faniriana
Satria fantatro fa ianao ilay tiana
Ka ho tiaviko na dia hiaretam-pahoriana
Ireo namako toa manery ahy
Izaho anefa tsy mba sahy
Hoe hanolo fitia vaovao
Satria ny foko efa lasanao
Koa aza lavina re raha azo atao
Fa ity foko anie tena babonao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/noely-mitongilana | NOELY MITONGILANA | AORN | Tsy ny "Noely" no mitongilana fa misy fijery sasany, indrindra ireo tena sahirana eny amin'ny fiaraha-monina izay tsy mba nahita rirany tamin'izany Noely izany
Hafaliana no mameno
Ny tontolo manodidina
fa volon’andron’ny Noely
fa ny anay dia Mbola iadivana
ny fitadiavana ny ho arapaka
na dia hoe mba mihinan-kely
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lakolosy | LAKOLOSY | Fredy Jaofera | LAKOLOSY
Ny ainga no eto mamaly
fa ny dera no mameno
ny toerana masina, lahy !...
Mitory vaovao mahafaly
ireo lakolosy maneno
sy krismasy voatahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mpamonjy-2 | MPAMONJY | Fredy Jaofera | MPAMONJY
Be ny hafaliana
fa Mpamonjy no tonga
eto an-tany ;
izao no fitahiana
manjary mampironga
laza aok'izany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ho-zeziky-ny-tany | HO ZEZIKY NY TANY | AORN | Ny tia ny tanindrazana
Dia tsy mijery akory
Zay mety ho fatiantoka
Na koa fotoana lany
Fa tombotsoa iraisana
no ataony sesilany
na hampitondra faisana
dia roso hatrany hatrany
Ny tia ny tanindrazana
Dia olona mametraka
Ny hasina sy hajan’ny
Satam-pireneny
Ka na ny ainy aza
Hilefitra ho ambany
dia sahiny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tonga-olombelona | TONGA OLOMBELONA | Fredy Jaofera | TONGA OLOMBELONA
Ny fitahiana velona
sy efa tabiha
mifono fandresena,
tonga olombelona,
Jesoa Kristy,
hitondra famonjena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsy-tianao | REHEFA TSY TIANAO | Fredy Jaofera | REHEFA TSY TIANAO
Rehefa tsy tianao
ny zavatra tiako,
aza asiana raorao
no fiangaviako.
Rehefa tsy tianao
izay hetahetako,
aza ambanina izao
tsy ho fiaretako.
Rehefa tsy tianao
ny tanjoko irery,
aza arahina fa sao
tsy hampahery.
Rehefa tsy tianao
ny sedra taloha,
mandehana, avelao
ho ahy eto aloha. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/miato-kely | MIATO KELY | AORN | Aleo aloha ny anio
Mba andro iray hitokana
Tsy asiana adin-tsaina
zay mahabe korontana...
F’ianao hibanjina ahy
Hijery izay hakanton’ny
Ketriketrin’handriko
Sy ireto volofotsiko
Manasaka ny lohako…
Dia etsy kely ange e!
Ny tananao ho raisiko
Mba hitsapako indray
Reo kitro sy ny holatra
Nateraky ny kosoky
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-krismasy-ve | NY KRISMASY VE ? | Fredy Jaofera | NY KRISMASY VE ?
Ny krismasy
dia lohataona
ho an'ny fanahy ;
tsy hangasihasy
fa toky no hitaona
an'ireo manahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/raha-sendra | raha sendra...! | tsiolaka | Raha sendra ka maloka ny any
manjombona mampitomany
aza adino fa misy any ho any
rakotr'aizin-tsy roa aman-tany
tojo sarotra mahavaky fo
mampimalo ,hitanondri-doha
aza adino fa misy ihany koa
nolefonin-tsakaiza ivoho
Raha namadika Ilay nitokiana
indrindra ny amboakely tiana
nanaikitra am-panahiniana
Ho neni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/meteza-hafarako | meteza hafarako | tsiolaka | Ry voro-mandalo miserana irony
'ndeha ho aiza no rifatra,dodona mafy
ivilio ilay malala tsy mahatsiaro intsony
f'lay tokany aty tsy mahay mampirafy
Meteza hafarako kely retsiana
Lazao fa ny tia hoe ka manina foana
Ilay fitiavana anie ka tsy mety mangina
fa efa nivoady ny ho antaranoana
Tsory aminy fa raha 'zany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fankalazana | FANKALAZANA | Fredy Jaofera | FANKALAZANA
Ny krismasy dia fankalazana
ny fahaterahan'i Kristy Jesoa
izay zanak'Andriamanitra
raha maro anio ny fanajana
tsy mbola manam-paharoa
eran-tany aman-danitra ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/aza-milaza-akory | AZA MILAZA AKORY... | AORN | Aza milaza akory
Hoe tia ny tanindrazana
Raha toa ianao mamela
Reo tany Mbola giazan’
Ireo mpanani-bohitra…
Fa tsy izany ihany
Reo seha-pihariana
Feheziny hatrany
Dia indro ianao mangiana
Aza milaza akory
Hoe miady ho an’ny taniny
Kanefa ireo mpanefo
Mandrapaka zay laniny
Ianao manampy trotraka
Mampiady m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ario-iny-felana-iny-album-aina-nafindra | ARIO INY FELANA INY | NY Andri-Fara | ARIO INY FELANA INY
Androany tsy nampoiziko
Ny hifanatri-tava aminao ...,
Ka sanganehana ny foko...;
Ny hilaza ny ato am-poko .
Kanefa vahotra ny vavako
Mangovitra ny tanako
Toa vinitra sy tezitra !
Hitako amin'ny endrikao .
Nahoana anefa raha lazaina
Hoe, tsy tia dia samy vita...,
Ambarao fa aza afenina
Di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanajana | NY FANAJANA | Fredy Jaofera | NY FANAJANA
Ny fanajana
dia porofom-pitiavana
iray lehibe
ka aza fafana
fa hiova fahasoavana
fatratra re. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vokatry-ny-fanahy-2 | VOKATRY NY FANAHY | Fredy Jaofera | VOKATRY NY FANAHY
Vokatry ny fanahy
dia fitiavana
tsy ahitana ahiahy
fa finiavana.
Vokatry ny fanahy
dia fiadanana
mahafinaritra, lahy,
ka iompanana.
Vokatry ny fanahy
dia hafaliana
mbola indro miahy,
na rahoviana ?
Vokatry ny fanahy,
fahamarinana
ka manolotra ahy
fanambinana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/aza-manoratra-ho-ahy-album-aina-nafindra | AZA MANORATRA HO AHY | NY Andri-Fara | AZA MANORATRA HO AHY
Hiangaviako ianao
Raha toa tsy lavinao .
Ilay hany hetahetako ;
Tsy ho anao ny alaheloko .
Avelao ho ahy irery
Ny adin-tsaina izay namely .
Aoka ianao mba hanontany ?
Ny fahoriako hiainako any .
Telo taona izay no lasa
Tsy hita aloha ny azo ambara .
Fa ny azoko ho tantaraina...;
Izaho m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-tonga-aminao | RAHA TONGA AMINAO | Fredy Jaofera | RAHA TONGA AMINAO
Ny taona vaovao
raha tonga aminao
dia zava-dehibe,
na inona re
ny fahasahiranana
efa nananana
ka antenaina
isa-maraina
hitondra soa
mba hamoa
hetaheta
misy feta
hanamboarana
hasambarana.
Ny taona vaovao
raha misisika izao
dia manasa
mbola hiasa,
mbola hitady,
na dia ho ady
ny faho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/masy | MASY | Fredy Jaofera | MASY
Masy ny firenena,
tsinjovy ny Marina
ho ny famonjena
isaky ny miarina.
Masy ny firenena
k'aza korontanina
fa tsy fahendrena
raha toa sahanina.
Masy ny firenena,
omeo voninahitra
hitobasan-karena
tahaka ny ahitra.
Masy ny firenena,
jereo ny vahoaka,
hioty fandresena
sy ho tafavoaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-haizina | TSY MISY HAIZINA | Fredy Jaofera | TSY MISY HAIZINA
Na tsy hofaizina
ny nampiady lava
sy be haratsiana,
tsy misy haizina
handresy Mazava,
n'oviana n'oviana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nalefa | NALEFA | Fredy Jaofera | NALEFA
Nalefa ny ratsy
ho anjara vatsy
tsy hisy fetra
mba hitoetra
saingy zaka
toy ny daka
narary mafy
ka dia nitafy
fijaliana,
fahakiviana
tsy nampoizina
an-terivozina
izay nampiala
tamin'ny vala
fa tsy any,
hoy ny tany,
no misy toky
mba hamoky
haravoana
azo inoana,
hahitana
hafanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tanjona-ho-tratrarina | TANJONA HO TRATRARINA | AORN | Raha misy fitsanganana
Ianao ve mba anisany?
sa ireo lay mpanankiana
fa ts’hita zay mba vitany?
F’ireo filana fototra
No efa tsy eo an-tanana
Fa ratsy zara hatrany
Ka maro ireo tsy manana
Ny zo voahitsakitsaka
Hatrany am-parahatoka
Kanefa ianao tsy taitra
Tsy sahy mamaky takotra
Ho gaga ve ianao?
Raha toa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fa-hay-ny-eto-an-tany | FA HAY NY ETO AN-TANY... | AORN | Manako avy lavitra siokan-domoina tsy misy manohina
Lay feo niantsoantso taraina mikaika tsy nisy niraika
Lay hiaka nalefa niampita any ho any tsy nisy namaly
Fa olona sendra mijejy hafaliana ka revo sondriana
Tsiriry zay sendra ny rivo-mahery ka toa manirery
Malemy toa saraka reny nitaiza ka tsy afa-mankaiza
Dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara0/fisarahana-album-sangodina-rapha%C3%ABl-spartacus | FISARAHANA ( ALBUM SANGODINA ) Raphaël Spartacus | Ny Andri - Fara | FISARAHANA
Indray harivariva izay
Sendra irery tao an-trano .
Nisy embona tsy nahy ;
Nameno ilay fanahiko .
Nitamberina ilay nenina
Dia ny fiainako fahiny .
Teo anilan-jazavavy iray ;
Notolorako fitiavana .
Ianao ilay ninia
Nandratra izato foko !
Nefa ny fitiavako...,
Tsy miova hatramin'izao .
Iny lanitra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/hifanadino-isika | Hifanadino isika | Ny Radontsoa Mamiratra | Hifanadino isika
Mamy erỳ ny fahagola:
Tamin’ny oran’ny finoana
sy ny tsikin’ny fitia …
Izao toa rava moramora
ny hafaliana nety tola:
‘Zay narefo sy nalia …
Nahafinaritra ny “roa”,
raha nandia ny hain-tany
sy ny ali-mangatsiaka …
Iza moa no nanam-po fa,
any indray andro any,
hifanadino isika? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/nofy-album-sangodina-rapha%C3%ABl-spartacus | NOFY ( Album Sangodina ) Raphaël Spartacus | NY Andri-Fara | NOFY
...dia iny ianao no lasa
Ny edrikao tsy tazako....
10.11.02 Raphaël Spartacus |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/etsy-kely-anie-e | "ETSY KELY ANIE E" | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | Misy mandondona an'alatranonao,
topazo ka jereo ity fipenompenony,
hitngilano kely ange iretsy sarin-teniny,
fa taratry ny takona anaty tratrany ao,
etsy kely anie e,jereo ilay sakaiza,
misangy zary tena,mandona varavarana,
miezaka mitady ny tena fahasambarana,
sinaingy ankehitrio,tsy hainy hoe nankaiza.
Zavona... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/teo-an-davarangana-album-sangodina-rapha%C3%ABl-spartacus | TEO AN-DAVARANGANA ( ALBUM SANGODINA ) Raphaël Spartacus | NY Andri-Fara | TEO AN-DAVARANGANA
Teo an-davaranganao
No nindramiko mangina .
Namisavisa ny fahiny ;
Namerimberina ny lasa .
Indro tazako manjavozavo
Ilay isika nifanao fotoana,
Teo amoron'ny kamoro...;
Ilay dobokelinao sy teo an-jaridaina .
Takariva somambisamby
Takariva ny diavolana ,
Saingy tamin'izao fotoana izao ;
Ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-lehilahy | NY LEHILAHY | AORN | Angolan-teny angamba
No naha-babo azy
Fa raha izay toetra aloha
Dia mbola vazivazy
Mandoka an-tendro-molotra
Dia toy ny zana-javatra
Milaza ho tena tia
Kanefa manalavitra
Dia sahy minina mihitsy
Hoe : “tsisy toa anao”
Fa vao midify kely
Dia lasana mandao
Mahita hafa indray
Dia lasa mampiresaka
Lay tena ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/isika-miaraka | ISIKA MIARAKA | Fredy Jaofera | ISIKA MIARAKA
Tsapanao ve
tsy hangasihasy
ny iray amintsika tafasaraka ?
Ny zava-dehibe
amin'ny krismasy
dia isika rehetra miaraka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/fanahiana-album-sangodina-rapha%C3%ABl-sanakerib | FANAHIANA ( ALBUM SANGODINA ) RAPHAËL SANAKERIB | NY Andri-Fara | FANAHIANA
Raha mbola misy fo
Azoko hifaliana ,
Nahoana indrindra moa ?
Ny hoaviko rehetra !
No feno fanahiana .
Raha mbola misy ihany
Tombon'andro ho ahy
Nahoana aho no velon'ahiahy ;
Eto an-tany izay honenako,
Hangozohozo sy hitoloko .
16.01.95 Raphaël Spartacus |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/voasolo | VOASOLO | Fredy Jaofera | VOASOLO
Indraindray mitsetra
fa very daholo
irony zava-nahasoa
saingy izy rehetra
dia voasolo
amin'ny tsara kokoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/noforonina | NOFORONINA | Fredy Jaofera | NOFORONINA
Ny toky maharavo
mbola goavana,
sady mihavao :
noforonin'Ny Avo
ny fitiavana.
itiavako anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/matoa-toy-izao | MATOA TOY IZAO | Fredy Jaofera | MATOA TOY IZAO
Matoa toy izao
i Madagasikara
dia tena nisy tao
tsy nahakarakara.
Matoa toy izao
itony fahantrana
dia tsy hay natao
ireo fanatsarana.
Matoa toy izao
izay manahirana
dia tsy nanavao
fa nandosirana.
Matoa toy izao
ny mipoitra anio
dia tsy mandao
ny mafy, tadidio. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiainanao | NY FIAINANAO | Fredy Jaofera | NY FIAINANAO
Tadiavin'ny mpialona
ny fiainanao
fa tsy mba ananany,
tano ary aza avalona
fa tao ho ao
dia tsy fiadanany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto/teto-ianao-omaly | "TETO IANAO OMALY" | Zavona Rakoto | Teto ianao omaly,
jenitra nitana ny era nitafana
navezivezin-kevitra tsy te ho resilahatra,
fa matotra ara-tsaina.
Eny sombinaina,marina ny anao!
Na aza hiady voarotra ny ao anatiko ao,
ianao irery ihany no fo an-teny mierany.
Teto ianao omaly,
Nanevaheva tanana hametraka veloma,
Niteny ho tsaroana hipaka anat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-maintsy-misy-tody | TSY MAINTSY MISY TODY | Fredy Jaofera | TSY MAINTSY MISY TODY
Tsy maintsy misy tody
ireo fosafosa rehetra
raha efa misodisody
ny fiaina-manjoretra.
Tsy maintsy misy tody
ny haratsiana tsapa,
Na mitady fanafody
tsy hampiraparapa.
Tsy maintsy misy tody
ireo fandravana vita,
saino mandrapody,
na tsy mifankahita.
Tsy maintsy misy tody
ireo ratra na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manorana | MANORANA | Fredy Jaofera | MANORANA
Matoa tsy misy hazavana
antenaina ombieny hisoko
hitondra ahy tsiky vao,
manorana ny eto an-tanàna
ka mitomany ny ato am-poko
amin'izao fotoana izao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eto-an-drano-mamba | ETO AN-DRANO MAMBA | Fredy Jaofera | ETO AN-DRANO MAMBA
Eto an-drano mamba
no maka rivotra kely
fa tsy manasa lamba
na toa mitady angely.
Eto an-drano mamba
no mandefa fisainana
ka ny mihambahamba,
tsy eken'itony fiainana.
Eto an-drano mamba
no mirotsa-dranomaso
fa tsy hainao angamba
irony sedra sy an-kaso.
Eto an-drano mamba
no malahelo ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/mbola-kely-album-aina-nafindra | MBOLA KELY | NY Andri-Fara | MBOLA KELY
( Tononkalo iray hitako sendra teny an-dalana...efa rotarota no tsinjoko ka natambatambatro )
Anananao ny bika sy ny endrika
Ny tontolonao rehetra , dia hita fa mendrika
Ny fahitako anao , dia ianao anjely ,
Saingy hoy aho hoe , mitandrema fa ianao mbola kely
Aaza dia maika ny hanao Fitiavana
Hajao ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/ray-oh-iny-zanako-iny | Ray oh! Iny zanako iny | R.V.K | Ray oh! Iny zanako iny
Na aiza n’aiza hombany dia,mba tantano hatrany
Arovy amin’ny loza sy atambo samy hafa
Ao i Fandresena,Mihoby,ary i Tsanta
Tolory azy ireo ny fahasalamana
Ary ihany koa ny hery sesehena
Fa ity no tena iriko Ray oh! Ry fahazavàna
Sakano tsy hania fa,tolory fahendrena
Raha mitady ho kivy dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-taom-baovao | HO TAOM-BAOVAO | Fredy Jaofera | HO TAOM-BAOVAO
Ho taom-baovao
hitondra fiadanana
isan'andro lava izao
tsy mety sakanana.
Ho taom-baovao
rako-kasambarana
tsy hahitana raorao
sy ho lavi-piakarana.
Ho taom-baovao
maro fahombiazana
tsy mety ery handao,
tsy misy fahavoazana.
Ho taom-baovao
ho be fahasalamana,
n'inona n'inona hatao
feno sao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/krismasim-pandresena-album-nofy-sy-tamberina | KRISMASIM-PANDRESENA | NY Andri-Fara | KRISMASIM-PANDRESENA
Azafady kely tompoko
Fa hisy zavatra ho ambarako .
Ka henoy izay lazaiko ,
Amin'ny fo tsy miambahamba ;
He! jereo ny manodidina ,
Sy izay rehetra hitantsika
Ady lava , fifamonoana !
Fifosana , fifandirana .
Mba topazo maso ihany koa
Ireo voahary nopotehana
Raha izao ve no mitohy ,
Tsy h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hijinja | HIJINJA | Fredy Jaofera | HIJINJA
Isan'andro, mahavara
hamboly hatrany
soa tsy zoviana ;
izay mamafy ny tsara
dia hijinja izany
am-pifaliana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toe-panahy | TOE-PANAHY | Fredy Jaofera | TOE-PANAHY
Izao voahasy,
na ahoana,
aza manahy :
ny krismasy,
tsy fotoana
fa toe-panahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rediredin-teny | REDIREDIN-TENY | AORN | Misy ny efa misy
fa misy koa ny tsisy
manakona ny misy
ka lasa miara-tsisy
kanefa raha ny marina
lay misy tsy miseho...
mandefitra amin'ny tsisy
angamba kely feo?
ary etsy an-kilany etsy
lay tsisy no manindry
lay efa tena misy
manindry misimisy
dia toy ny hoe tsy misy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tonton-sii/izy-no-iza | IZY NO IZA ? | Tonton Sii | IZY NO IZA ?
Tonga manolotra ny arahaba hoantsika rehetra indray
tafahaona ato amin’ilay antsointsika hoe « KaloGasy »
Mitodika amin’ireo izay mana-namana,
izay hofaritako eto ambany ny masin’izao tontolo izao…
Ndao ary...
Izy no iza ?
1. Ilay anilanao foana n’inona n’inona mitranga
Tsy hanadino anao mihintsy, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/reheefa-noely | REHEEFA NOELY | Fredy Jaofera | REHEFA NOELY
Diniho kely
mba tena hiafana
ny sento notetezana,
rehefa Noely
ny fo aloha sokafana
fa tsy ny fanomezana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/sotasotam-piainana | SOTASOTAM-PIAINANA | AORN | Nifofofofo toa tafiotra
Nanenjera rihatr'ala
Nandaraboka andry vato
ny fandaozanao ty foko
mbola anaty fisitrahan'
ny fitia izay azo babo
Moa mba saininao akory
zany ratra izay napetrany
fa tomany an-tsasank'alina
Ka tsy sitrana malaky
Mbola tsy hanakom-pery
fa nandoaka lalindalina?
O ry foko mitonia !
Dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/midoboka | MIDOBOKA | Fredy Jaofera | MIDOBOKA
Raketo itony ora
manala toloko
ka hazavao :
midoboka mora
ange ny foko
mijery anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karako/raha-manoratra | Raha manoratra | Karako | Raha manoratra ianao fa misy vetsom-po mandalo
Tianao horafetina,
ka ho lasa tononkalo
Dia aza atao alasafay fa tandrovy ny tsipelina.
Ny asasoratra mitoetra fa tsy mandalo na mihelina !
Raharijaona Haja |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-ambohipanja | RAHA AMBOHIPANJA... | Fredy Jaofera | RAHA AMBOHIPANJA...
Raha Ambohipanja
no tsy hay ambara
dia tsy hihanjahanja
izany tena tantara.
Raha Ambohipanja
no tsy misy resaka
dia tsy hanan-danja
ny nisy sy nitresaka.
Raha Ambohipanja
no mbola hadinoina
dia mandevim-banja
nisy ady novonoina.
Raha Ambohipanja
no avela amin'izao
dia tsy tonga manja
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-nanary | REHEFA NANARY | Fredy Jaofera | REHEFA NANARY
Rehefa nanary,
tsy irina intsony,
mbola hita sary
irony loza irony.
Rehefa nanary,
tsy saina akory
fa tsy manjary
sy efa nahory.
Rehefa nanary,
aleo izy ho any,
mampiharihary
dona aok'izany.
Rehefa nanary,
tsy tiana ho hita
f'efa nankarary,
tsy nahatafita ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hadino | HADINO | Fredy Jaofera | HADINO
Hadino ny manjo
rehefa eo ianao mihira,
tsy nofy fa dia to
ny faniriana, mamikira !
Hadino ny ahiahy
rehefa eo ianao mijery,
mitony ny fanahy
sy tsy mahatsiaro irery.
Hadino ny tomany
rehefa eo ianao mifaly,
tsy hitahita izany
irony sedra nampijaly.
Hadino ny taloha
rehefa eo ianao mitia
sy mba ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/namana | NAMANA | Hajanirina Mahavaly | Izaho sy ianao toy ny rano sy vary
Na antsaha na an-tanàna tsy nifanary
Miara-dàlana eny foana hatrany
Na amin'ny tsiky na koa tomany
Izaho sy ianao toy ny mpiray tampo
Mifampizara izay rehetra manjo
Mifanohana amin'ny lafiny rehetra
Amin'ny fo madio tsy misy fepetra
Sambatra aho manana anao
Tena namana tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tonton-sii/zaraiko-ny-fahanginako | ZARAIKO NY FAHANGINAKO | Tonton Sii | ZARAIKO NY FAHANGINAKO
Mety ho gagagaga ianao hoe : « hafakely kosa raha izao no hoe lohateny ! »
Fa io re no hitako hamehezana ny teny lalim-paka tsy voafafa midorehitra ao anatiko…
Fisedrana arahin-desona nampiainga ny inspiraka
Tsy kanto atao ho vakoka, tsy mikajy miandry sitraka…
Zaraiko ny fahanginako satria ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/angamba-tsy-ho-ritra | Ny LASA TSY HO ADINO | NY Andri-Fara | ANGAMBA TSY HO RITRA
Fony mbola nisy fihavanana
Nanjaka mihitsy ny naha mpinamana .
Saingy ankehitriny , foana izany !
Fa ny vola no manjaka lavinao ve izany ?
Misy ny tsy manana fadiranovana aoka izany
Misadrahatra amin’ny fomba maro samihafa .
Tsy afaka mankaiza , tsy afaka mivoatra izy ireny ;
Na hitroatra a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teraka-noely | TERAKA NOELY | Fredy Jaofera | TERAKA NOELY
Teraka Noely
ny zanak'i Maria
ka dia anjely
no feno fa Mesia.
Teraka Noely
hivoy fiadanana
tsy mba kely
hisy fihavanana.
Teraka Noely
hivatsy fitiavana
misy tantely
sy fankatoavana.
Teraka Noely
ho antsika ange
raha toa aely,
n'aiza n'aiza aleha. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ankalazao | ANKALAZAO | Fredy Jaofera | ANKALAZAO
Ankalazao amin'ny mozika
izato fetin'ny krismasy
fa mbola fety mahasariaka
tsy ilana poa-basy !...
Ankalazao amin'ny hirahira
fa Mpanjaka no ho avy
izay tsy angano re na arira,
hoy aho mba miangavy.
Ankalazao amin'ny hazavana
fa Mesia no ho teraka
ka fenoy hatrany ny fiderana
sy aoka tsy ho reraka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/ilaina-ianao | Ilaina ianao | Randja | Maro be ireo zavatra efa vitantsika teny
tsy vitsy koa ny mbola hatrehantsika eny
dia ianao no ilaina hijoro, ho toky hantenaina
ho hery velona henti-mihetsika ampiasaina
Na ho tojo ny mora na ho sendra ny sarotra
ilaina avy hatrany ianao ho eo hanavotra
ho namana tsy handao mandrakariva fa hiaraha-miaina
ho and... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/noely-lafatra | NOELY LAFATRA | Fredy Jaofera | NOELY LAFATRA
Noely lafatra
ny eo anilanao
tiako fatratra
ka hirahirao.
Noely lafatra
maro fiderana
manan-kafatra
tena igagana.
Noely lafatra
misy fihobiana
tsy mitsahatra
ny ho fifaliana.
Noely lafatra
mankalaza ery
ka mamahatra
fa tonga Kristy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/nanambady-ianao | "NANAMBADY IANAO" | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | Tonga teto omaly ny fakiteranao nivimbina litera,
Valopy mangamanga misarin'olon-droa no teny an-dratsa-tanany,
fa hono hatolotra ahy. Niontana ny foko
Nangovingovitra aho,f'angamba taratasy tsy marina adiresy ity ampela-tanako.
Hanambady ianao! izany no litera voarakitry ny soratra natontan'ny printy.
Dia hono ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto/mamo | "MAMO" | Zavona Rakoto | io jereo fa mamo ilay sakaizanao
fa hono,novesaran'ny feo an'eritreriny
nanainga fitomany,eny nitalaho,
ny anaranao hatrany no toa naverimberiny.
tena katry hono no toa fibanjina azy,
jemby fieritreritra ka sasatra misento!
tomany,mandohalika toy ny hoe voasazy.
dia lasana ambiroa,mihelina any ho any.
kanefa an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/hiondrika-aho | Hiondrika aho... | andriafa | Miondrika Aho androany...
Tsy hoe resy tsy akory,
na ihany koa hoe malahelo
dia handraraka tomany,
...hilofika sy ory
hifedrofendron'alahelo.
Fa miondrika aho satria,...
Mamela ANAO hiasa,
satria IANAO no efa nilaza :
'' Fa ny adiko ety,...
Na ireo drafitra kinasa
... dia ho andraikitrAO''
Hifihin-tànana ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aingampanahy-feonny-saina/sarotro | Sarotro | Aingampanahy Feon'ny Saina | Sarotro!
Ary nisy volon'andro notsatsoin'ny fahanginana,
Tao am-pon'ny lohataona fiotazan-kamamiana!
Toy ny riakan'alahelo hiandrandrana fiononana,
Nefa mbola injao manosaka antontan'hakiviana.
Tsy mba tony, tsy matory mihotakotaka he ny foko,
Tsy tafandry fa mandoatra ny hararetrany marefo...
He ry vetso takar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-voa | REHEFA VOA | Fredy Jaofera | REHEFA VOA
Ny adala,
mamaly faty
vao miala
ka soraty.
Ny hendry
mamela
nikendry
izany ela.
Ny ambony
manadino
hampitony,
na tsy nino. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vaovao-mahafaly | VAOVAO MAHAFALY | Fredy Jaofera | VAOVAO MAHAFALY
Vaovao mahafaly
no tonga amin'ny tany
ka indro miangaly
ny dera tsy hita lany.
Vaovao mahafaly
ambara ho famonjena
hanala irony jaly
mendrika ny hohosena.
Vaovao mahafaly
maharavo itony Mpino
hanova ny omaly
ho saotra ka hamasino.
Vaovao mahafaly
fa Mpanjaka no teraka
ka rehefa atontaly,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/tena-fitia | TENA FITIA | Rabarison Roberto Stephan | TENA FITIA
Raha toa aho ka hitanisa
Eny! Anambara teny vitsy
Tsy mba teny lava an-tapitrisa
Fa tiako ianao! ambarako mahitsy
Tsy sanatria akory hoe: fitia ratsy tefy
Ka mora simba, mora loha,.. sy mora lefy
Fa tena fitia mafy orina tsy horavan'iza
Ka ny anaranao foana no tononina ,
Eny.!. Maraina , atoandro , ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aingampanahy-feonny-saina/efa-tojo-endrika-izy | Efa tojo endrika izy | Aingampanahy Feon'ny Saina | EFA TOJO ENDRIKA IZY…
(Valin-kafatra ho an’I FX MAHAH)
Tonga felana eto i-nofo ny endri-tiana nohazainy
Izay narandram-boan’ny tsiaro tao ambadiky ny omaly
Tonga nofo vonim-pelana eto imaso ilay lalainy
Tojo endrika izy manko, o ny vavaka nivaly
Ary hitany eto ianao, tsy kisary an’eritreriny
Tsy fanahy mandrior... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsara-sy-ratsy | TSARA SY RATSY | Fredy Jaofera | TSARA SY RATSY
Ny tsara samy tsara
no mahay miaraka
rehefa io ny anjara
misy soa manaraka.
Ny ratsy samy ratsy
no mahay miaraka
matoa tatsy ho atsy,
mbola tsy nisaraka...
Fa ny tsara sy ny ratsy
dia ho nofinofy ihany ;
tsy bainga na vatsy
no antenaina izany.
Mbola vavaka no atao
hampiova ny ratsy ery
sai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiainana-ange | NY FIAINANA ANGE | Fredy Jaofera | FIAINANA ANGE
Fantatrao ve
ny hitombina eny foana,
hoy irony sedra irony ?
Ny fiainana ange
ka vita amin'ny fotoana
izay tsy hiverina intsony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/mitraka | MITRAKA | RAVINALA | Maihaiza mamindra fa tsy ialahy ilay mitaraina
Manoloana ny ady sarotra sy goavana
Fa ialahy ilay miarina sy vonona ny hikely aina
Marisika ny handresy lalandava amin’ ny tolona fanao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/echlie-aichlia-honnie/any-ianao-izay | ANY IANAO IZAY | Echlie Aichlia Honnie | Manembonembona matsiaro
Lasa toa saro-piaro
Hoe:ianao irery any
Ant alavi-davitr'any
Lasa saina manirery
Lay sari-drika kely
Sao ho lasan'olon-kafa
Lay malala tena tiako
Sady tsy foiko no tsy ariako
Any ianao izay...
Mipetradrery mangingina
Mahatsiarotsiaro ilay tina
S'ireo vita ihany koa
Miraikitra mafy a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/echlie-aichlia-honnie/tiako-ianao | TIAKO IANAO | Echlie Aichlia Honnie | TIAKO IANAO
Ianao no nofidiko
Ry ilay tena tiko
Hitako tao anatin'ny maro
Ianao irery fa tsy mifangaro
No omeko ilay fitia
Faniriko ho mandrakizay doria
TIAKO IANAO
N'ninon'inona ny momba anao
De hitoetra aho fa tsy mba handao
Satria ianao no lanin'ny fanahy
De tsy hisalasala tsy manan'ahiahy
Fa ny foko aki... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsihafa/aokizay | AOK'IZAY | TSIHAFA | AOK'IZAY
Raha ny ato ampoko no holazaiko eto anio
Dia ho lazainao fa adala ity saiko bobok'alahelo
Feno loatra izato izy mahita anao milamin-tsaina
Tsy mandre sy mikipy manoloana ireo taraina
F'izao ihany angaha dia ampy hamintinako ny teniko
Aok'izay ny vazivazy sy rediredinao fa jereo
Reto olo-maro be mitarain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/echlie-aichlia-honnie/tsy-izaho-intsony | TSY IZAHO INTSONY!!! | Echlie Aichlia Honnie | Tsy izaho intsony ilay ratraina
De handeha hiferitr'aina
Ka handady hitaraina
De aveo miala maina
Tsy izaho intsony
Tsy izaho intsony lay hitomany
Refa tratra tany ho any
Hitokan-drery fa marary
Mamoifo ok'zany
Tsy izaho intsony
Tsy izaho intsony alahelo
Refa omena teny mafy
Lasa toa tsy mitafy
Ka atao raf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/mpanitsakitsa-bady | ""MPANITSAKITSA-BADY"" | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | inay ianao tsy fantatro,lavitry ny misiko
inay koa tsy nomeko izay tapaka sosisiko,
f'izao ianao tsy foiko,zary toa tantely,
izao ny vadibeko nanjary vadikely.
"Mpangala-badin'olona!"
inay aho tsy nisangy,inay koa tsy nitsiky
tsy tia an'iny izany aho f'angambany io mikiky.
sanatria ve izaho no hizara ny eto an-t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/echlie-aichlia-honnie/tsy-te-ho-any-intsony-aho | TSY TE HO ANY INTSONY AHO!!! | Echlie Aichlia Honnie | TSY TE HO ANY INTSONY AHO!!!
Ny foko te hanaiky
Ny saiko de mandà
Ny tongotro te hamindra
Ny foko mampatsiahy
Ny amiko manontolo lasa feno ahiahy
Mipetrak'aho mamisavisa
Handeha ho aiza ary aho
Tsy te hiverin'any intsony
Nefa ahoana ny am tohiny
Princesse Star Of Jesus (EAHPSOJ) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-amboarina | AZA AMBOARINA | Fredy Jaofera | AZA AMBOARINA
Aza amboarina
fa dia loary
ny mivaivay :
aleoko ny Marina,
na marary
indraindray. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/lolom-paty | Lolom-paty | Zavona Rakoto | LOLOM-PATY
Namangy teto indray ilay lolo mainty be,
Hoy ny zandry vaviko! Taitra aho raha nandre.
“lolom-patin’iza no tonga teto indray!
Lolon’anga-badiko sa an’ny mamanay?
hoy aho nieritreritra.
Nivezivezy teo io,hoy ilay mpitantara,
Avy any an-dakozia dia tamin’ny farafara.
Ny sary tamin’ny rindrina voatetiny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/andraikitra-masina | ANDRAIKITRA MASINA | DADAFARAtolotra | "Loloavy sy ajao ny asa fa antoky ny ho avy maro loko izy"
Hanatsotra sandry ho an'ny tandrazana
Mikiry sy mihezaka ao am-panidina vazana
Na mafy sy mavezatra ny asa izay sahanina
Sikino ny herin-tsaina,aza avelanao hijanona
Hanasoa ny mpiara-belona!
Ampiakanjoy fikirizana, satroy firaisakina
Ny asa sy andraikit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/echlie-aichlia-honnie/ao-anatinny-nofy | AO ANATIN'NY NOFY ... | Echlie Aichlia Honnie | AO ANATIN'NY NOFY ...
Ao anatin'ny nofy aho no mamisavisa
Sy miaina tô any am-paradisa
Ireo izay ho vinavina
No ahitako ilay tina
Ao anatin'ny nofy
Ao anatin'ny nofy aho no miresak'aminao
Any aho no sahy kokoa
Mifanatrika mivantana ho fihaonan'olon-droa
Ao anatin'ny nofy
Ao anatin'ny nofy aho no saha miteny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/echlie-aichlia-honnie/izany-ka-vehivavy | IZANY KA VEHIVAVY | Echlie Aichlia Honnie | Vehivavy tsara tarehy
Feno fifaliana sy hehy
Vehivavy matoky valeur
Tsy mitazona ranomazo èla
Vehivavy tia mitsiky
Tsy mba mora kivy
Vehivavy tsara fo
Tsy mitazona lolom-po
Vehivavy manana ny maha izy azy
Tsy mba mora maka lagy
Vehivavy manatalenta sy haingam-panahy
Tsara toetra no tsara fanahy
Vehivavy tok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-mitia-mangina | NY MITIA MANGINA | Fredy Jaofera | NY MITIA MANGINA
Ny mitia mangina
dia tsy faniriana
fa mankarary anaty,
na tsy poak'aty
raha inty aborako
na koa atorako
mba hankany
avy hatrany.
Ny mitia mangina
dia zary fijaliana
rehefa tsy tsapa
ka mampiraparapa
ny tena samirery
toy ny olom-bery
eny ho eny
lavareny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/singanembona | SINGAN'EMBONA | DADAFARAtolotra | Mba nahatsiaro ny taloha ilay mamalalako fahiny
Dia nanokatra ny siny, fitehirizanay fitiavana
Any ampita tsy hay tazanina, lavitra tsy taka-basy
Ireo fitiavana nafafy, antenaina mba haniry
Izaho irery an-tanin'olona, vitsika momban-kitay
Vonton'alahelo indray, satria nisy hembona nifoha
Ao anatitsika ao avy, ve ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/echlie-aichlia-honnie-princesse-star-of-jesus-eahpsoj/alina-indray | ALINA INDRAY ... | Echlie Aichlia Honnie | ALINA INDRAY ...
Alina indray ity ny andro
Alim-pisentoana ho ahy
Hamisavisako ny tontolo andro
De sady koa mampatsiahy
Alina indray ity ny andro
Alim-pahanginana satria
Mamisavisa ireo dia
Izay vita retraretra
Dinidinika tsy misy fetra
Alina indray ity ny andro
Alina tena mampatsiahy
Ireo ady nolalovana
I... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.