url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/aoka-etsihy | Aoka etsihy | tsiolaka | Maditra loatra akia ny foko
ka tsy azoko noferana
tsy hitia an-tsokosoko
Ilay voninkazo fanaperana
dia ilay raozy manantompo
ekeko hoe mambabo
ny hatsarana isalorany
ary tsapako mandavo
Ilay angola sy fidolany
saingy aoka etsihy ry foko
fa Sao ianao hangaina
ho vesaran'ny toloko
hanangana taraina
fa ny am... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/isika-fa-tsy-izaho | ISIKA FA TSY IZAHO | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Isika fa tsy izaho,
no maha-vahoaka Malagasy,
miara-miezaka mifofotra,
hahatonga ny voa ho taho,
mba tsy hisy hangasihasy,
satria Firenena tsara fototra.
Isika fa tsy izaho,
no mandrafitra fiaraha-monina,
mifanampy, mifandefitra,
tsy handairan'ny tsaho,
ny zava-tsara no tononina,
hanaja hatrany koa ny rafitr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ry-tenindrazako | RY TENINDRAZAKO | AORN | Ry tenindrazako lalaiko
Teny nampiasain’ny Razako
Tiako ianao no sady hajaiko
Fototry ny fahombiazako
Ry tenindrazako tsy foiko
Tsy azoko oharina amin’ny hafa
Mila arovako, koloiko
Na dia maro mpanatsafa
Teny tokana aman-tany
Nahatafita olo-maro
Teny nahitana mamy
Ary tsy mba mifangaro
O ry teniko, tsy indr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/tsaroiko | Tsaroako | Ny Radontsoa Mamiratra | Tsaroako ianao androany ry zanak’olona iny:
‘lay endrika mateza tsy levon’ny fotoana;
‘Lay tononkalo teraka tam-poko babangoana:
Namorona poeta tamin’ny androko fahiny …
Tsaroako indrindra ianao r’ilay mpanainga vetso;
R’ilay hatsarana tanaty sarin-teny;
‘Lay tsy mba nahalala ny dikan’izy ireny
‘zay lasa ranomas... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnalpha/tsiky | TSIKY | RN.alpha | TSIKY
Namontsona madinika ilay hany nokapaina,
Manomboka mamaka ,mandalina aokizany.
Maniry miparitaka eny an-tany karakaina
ilay vony lany manja, tsy tiana tany hoany.
Madio manganohano ilay dobo nolotoina
fanahiniana tamin'ireny,
Ilay niely laza fa goaika, kay domoina,
Sendra fanipanina ka tsy afaka niteny.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnalpha/tsy-ho-nofy | TSY HO NOFY | RN.alpha | TSY HO NOFY
Mbola tsy migadoana eny ambony kianja akory
Dia mitono-tena ho resy sy efa lavo izato ianao,
Ambeti-teninao ny hoe nateraka ho hory
Sy efa lahatra sy anjara, ka tsy misy azo atao.
Dia resy tsy mba miady
Sy manolo-tena ho babo,
Dia manangan-tsaina fotsy, fiforetana sahady,
Manambany tena ho bado.
D... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnalpha/mahaiza-mihonona | MAHAIZA MIHONONA | RN.alpha | MAHAIZA MIONONA
Aza maikamaika ny hitia ianao ry foko,
Aza ianao matahotra ny mety ho lany zara.
Meteza mba hionona, fandrao handrian'ny loto,
Etsy mitonia ianao sy koa tomoera tsara.
Tsy zakanao ny donan'ny fitia vao miala sakana,
Fa basy feno bala sy sabatra efa vonona;
Ka dieny mbola tsisy vonimboniny mamaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/trosa | TROSA | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Ny alahelo lalina
Tsy zaraina ny hafa,
Dia aizim-pito sy alina
Mitambatra ho lasa.
Ny ranomaso ferana
Sakanana tsy hivoaka,
Dia sento maka toerana
Tsy maintsy mbola hitroatra.
Trosa tsy voahefa
Ho enti-mandramaty,
Ny fitia rehefa
Kobonina ao anaty.
Ny tsiky sy hafaliana
Kobonina ao am-po,
Dia lalam-paniri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/nofiko-album-sangodina-rapha%C3%ABl-spartacus | NOFIKO ( Album Sangodina ) Raphaël Spartacus | NY Andri-Fara | NOFIKO
Lavitry ny ankaso hono
Iny lalàna nodiaviko
Ka raha mbola hiezaka aho ;
Aaiza indray no hiafarako .
Satria feno tebiteby horohoro
Ady lava , famonoana !
Izany ve no làlam-piainany ;
Iainany isan'andro .
Tsinjonao ny fanendahana
Vaky trano ; hala-botry
Tsy fantatro hoe nahoana ?
Nisy ve! Tsy fantatro ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/gasy-hono-ialahy | GASY HONO IALAHY | AORN | Gasy hono ialah(y) ka gasy!
Gasy lay be manaiky
Tsy manana isafidianana
Mirona am'zay hananana
Ny Fanjakana manao ny ataony
Fa ialah(y) aza tsy tsaroany
Mivaro-tany am’reo karàna
Eo ialah(y) d’efa mihanahana
Ny taratasy efa vita avy any
Eo vao gaga mifanontany...
Hay ny resaka efa mandry
Zay ialah(y) vao man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ainga | AINGA | Fredy Jaofera | AINGA
Ny zavatra tsikaritra
mbola avy
ahitana nofinofy fy,
ainga mahafinaritra
ny vehivavy
eto amin'ity tany ity. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnalpha/ambaniatsimo | AMBANIATSIMO | RN.alpha | AMBANIATSIMO
Efa samy tany na i Doda na i Peto
Taoarinan' ery nary sy ry joro ery atsimo,
I Bary aloha nilaza inin-droa aloha hatreto,
Raha tsy tany koa i Koto dia nilaza ho tsy mba nino
Tatitra no reko fa toa tsara hono ny any
Hoatrany hoe toa paradisa kely ery raha ny tantara.
Nihitatra malalak' hono izao ilay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rn-alpha/tsaroany-foana-ianao | TSAROANY FOANA IANAO | RN.alpha | TSAROANA FOANA IANAO.
Na faly izy na hory
N'inon'inona atao,
Na mifoa io na matory
Dia tsaroany foana ianao.
Na aiza n'aiza aleha,
Dia tsy taitra randram-bao,
Fa ny hany teniny dia hoe:
Mbola tsaroany foana ianao.
Ny hirahira sy ny kalo,
Sarisary izay fanao
Dia mbola hita tsy atakalo
Sy tsaroany foana ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/angamba-sambatra-izy | ANGAMBA SAMBATRA IZY | Njakahery ANDRIAMALALA | ANGAMBA SAMBATRA IZY
Angamba sambatra izy,
Fa toa tsy reko intsony ilay taraina mahonena
raha vao maraina iny,
Ilay tavany efa kotsa, manjombona mahatsiaro ny lasa vao tsy ela
Fa angamba mety sambatra izy
Ny talahony aminao, iny ranomasony iny, ilay nandritsoka ny fony
Tsy mba reko eto intsony,
Angamba any ho a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnalpha/naondrana | NAONDRANA | RN.alpha | NAONDRANA
Raha ny ahakanto dia lafatra ianao
Raha ny bika tsy asiana tsikera
Fari-piainana tonga dia ao
Fa ny toetra ny misy kilema
Tsinotsinona akory izay bika
Zava-poana ny ahatsaran-tarehy
Fa raha ilay fahendrena no tsy hita
Dia ho potika ny hoavin'ise
Nahininao nariana ny hasina
Efa hita fa sarotra hareni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnalpha/hafa-kely | HAFA KELY | RN.alpha | HAFA KELY
Talanjona ny maro ny amin'ny toetranao ry tiana,
fa mantsy toetra miavaka sy tena hafa kely,
Izay nahataza-maso dia tsy nisy tsy mba liana,
Fa na i koto jamba dia nidongy mba hijery.
Tapitra nitsiriritra anao ireo mpandalo,
Niaiky ny rehetra fa ianao dia tonga lafatra,
Nanaiky ny ho babo na sakaiza na ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/avadiho-ny-pejy | AVADIHO NY PEJY | Fredy Jaofera | AVADIHO NY PEJY
Ny tena asa,
aoka tsy hihenjy
rehefa mifoha ;
dory ny lasa,
avadiho ny pejy
ary mandrosoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/iza-moa-aho-album-sangodina-rapha%C3%ABl-spartacus | IZA MOA AHO ( Album Sangodina ) Raphaël Spartacus | NY Andri-Fara | IZA MOA AHO
Iza moa aho
Fa tena tsy tsaroako
Ny amiko rehetra .
Moa ve tsy lehilahy ;
Mangetaheta fahafahana .
Iza moa aho
Fa toa verivery saina ;
Ny amiko rehetra .
Izaho ilay zazalahy ;
Niaritra ny mafy .
Iza moa aho
Fa toa reko injao manako ,
Ato anatiko mangina .
Ny vetsovetsom-paniriana ;
Niainako h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnalpha/vahaolana-hoanao | VAHAOLANA HOANAO | RN.alpha | VAHAOLANA HO ANAO
Miady mafy angaha ianao no toa dia migogogogo?
Raha mila fifaliana, etsy andeha midodododo
Hiaino poezia, tsara rafitra sy rindra
Niangalina hampifaly, tononkalo rasa rindra.
Malahelo ve ianao? Etsy anie raha te hitony,
Misy namana poeta, ndeha ireny no hatony
Any misy zava-tsoa, any misy fifal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnalpha/hanaro | HANARO | RN.alpha | HANARO
Ô ry Ravao sy Ratrema
Hanaro ty zanakareo
Mailomailo ary dia mitandrema
Dia ny ankizy mba jerijereo
Izy iny jerena toa kely
Toa kely kanefa be saina
Zaza kely efa mahay "miresaka"
Fa hanaro raha toa sombiniaina
Akory tsy hoe manaratsy
Fa ny marina ny ahy no lazaiko
Izay fihetsiny izay any mantsy
Toa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/vavaka | VAVAKA | Njakahery ANDRIAMALALA | VAVAKA
Ray ô ……
Tsy heriko niady,
Na ny soa izay nataoko,
Raha mbola afaka manoratra izao hetaheta izao
Fa ny tananao mitsotra,
Ilay tanam-pitiavana,
Tsy mba foy na mahasaraka an’ity olo-melokao
F’injay reko isan’andro ilay famindram-ponao
F’izany hery kely ananako,
Tsy mba avy taiza akory
Raha tsy ny fitant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raorao | RAORAO | Fredy Jaofera | RAORAO
Meteza
halamiko
ny raorao
fa ngeza
eo amiko
sy ianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ekeko-ve-album-sangodina-rapha%C3%ABl-spartaus | EKEKO VE ! ( Album Sangodina ) Raphaël Spartaus | NY Andri-Fara | EKEKO VE !
Ekeko ve !
Ilay vetsonao naningana
Nampisento ny mahantra ;
Ka nahatonga fofona ahy .
Nahoana no ianao
No nampitondra zioga ,
An'ireo kamboty ireo ;
Ekeko ve ny vitanao ?
Nihevitra ny tenao
Ambony sy mahery ve!
Ka manitsakitsaka...,
Ny zo sy ny fahafahako .
Ekeko ve!
Ny teninao midradradradra
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/fisaorana | FISAORANA | Njakahery ANDRIAMALALA | FISAORANA
Tao anatin’ny tahotra sy horohoro,
Ray ô! Indro aho nitaraina ka novalianao
Tao anatin’ny alahelo sy ilay tavako kotsa
Nomenao hery hatrany ka mbola toizao
Koa ankehitriny aho faly, ravoravo aok’izany
Ray ô! Sanatria ny hanadino na tsy hahatsiaro
anao,
Fa izay ato am-poko rehetra izay tsaroako fa
mit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/fanolanana | Fanolanana | RAVINALA | Fa hatraiza no fetr'ity herisetra
Ampiharina sy atambesatra amin'ireo tsy manatsiny
Zazakely mbola tsy miteny
Tsy mahalala faniriana akory no atako amboletra toy itony
Zaza mena manana ny hoaviny
Nanaparana filan-dratsy
Nampisotroina ny mangidy
Fery sarotra sitranina mandritra ny androm-piainany?
Raha mba sendr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/raha-mba-fitia-ihany | RAHA MBA FITIA IHANY | Njakahery ANDRIAMALALA | RAHA MBA.....
Raha mba fitia ihany no tarafina jerena,
Angamba aho tsy nanaiky fa tena sahy ihany,
Tsy hionona akory fa hiady am-pahendrena,
Nefa indrisy mantsy raha mba fitia ihany
Angamba hionona amin'ny nofy,
Fa raha misy moa izany,
Efa nisinda ny farofy,
Satria hilamina ny tany
Hoe ny mbola hanantena ?
In... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/jiramaty | JIRAMATY | AORN | Raha tapaka ny jiro?
tsy ahoany akory izany
fa aleony ho maizina any...
F’izay mba hani-masaka
Am-bata mangatsiaka
Masiso tsisy fika!
Ilay sakafo amidy
Mba mihodina ho vola
Dia simba kolakola
fa tsy hamakiany loha...
Zay potika dia potika
Zay rotika dia rotika...
Raha tapaka ny rano?
Tsy raharahiany koa
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/fitiavana-ihany | FITIAVANA IHANY | Njakahery ANDRIAMALALA | FITIAVANA IHANY
Raha niaraka aminao aho tsy mila zavatra hafa akory,
Fitia tsy misy tambiny fa ny fonao atolory,
Fitiavana ihany, fo mitempo hatrany,
Izay no fifaliako fa tsy mila ankoatr'izany
Ny tena fifaliako tsy hoe toloranao firavaka,
Tsy izany velively fa ny ahy fitia tena miavaka,
Ny tena fahasambarako ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/rahoviana | RAHOVIANA | Njakahery ANDRIAMALALA | RAHOVIANA
Nampianarina namindra,nitrotroina, notantanana
Nampianarina niteny, nisakafo,nilalao
Ampifalina raha tomany, raha malahelo ampitsikina
Omen-tsakafo raha noana, sasana raha maloto
Nokapohina raha maditra
Indray koa voateny mafy
Dia indray koa misaina hoe:
Angamba izaho tsy tiany ?
Kanjo indro tena haf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/imbitika-rambala/ampindramo-ahy | Ampindramo ahy | Imbitika Rambala | AMPINDRAMO AHY
Ampindramo ahy ry vorona
Ny elatrao hanidinako
Any an-tany tsy misy olona
Fa na hatrany an-tsikinako
Efa hipoka harena
Dia tsy mety ny fanahiko
Fa mitomany mbola homena
Ampindramo ahy ry vato
Ny fahaizanao mihenahena
Fa ny ato anatiko ato
Dia tsy ampy fahendrena
Fa Ilay fitia nangalarina
Ten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/te-hitsapa-hery | TE HITSAPA HERY | NY Andri-Fara | TE HITSAPA HERY
Ilay ranomaso hitanao lava
Mikoriana tsy mijanona iny ...,
Tsy ho hitanao intsony ;
Ritra ireny ; kanefa ho avy indray
Hamonto ny ila-tavako .
Saingy ataoko ahoana moa ?
Rehefa tonga ilay fotoana .
Maraina ny andro
Mibaliaka ny masoandro .
Tsy sahiko jerena ny manodidina ahy ;
Ka naleoko nita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/imbitika-rambala/rehefa-mby-any-ianao | Rehefa mby any ianao | Imbitika Rambala | REHEFA MBY ANY
Rehefa mby any ianao dia omeo azy ity
Fa ho gaga izy satria ho tampoka aminy
Dia fadio ny resabe indrindra hoe taty
Saro-piaro mantsy ny olona ao an-tranony
Hisy hijery ianareo hatreo am-baravarany
Ho sintoniny ianao mba hiatakataka
Dia hibitsika izy ka izao no hambarany
"Rahampitso eny an-tsena,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tandrify/kisendrasendra | KISENDRASENDRA | Tandrify | Andro niavaka teo amin'ny fiainako
Andro sarobidy kanefa andro iray
Nifantsika am-po sy tamin'ny fisainako
Ny nihaonako tamin'izay olona izay
Tsiky nandalo, tsy nitoetra akory
Tsiky nandrehitra ny afom-pitiavako
Nanaitra ny foko 'zay sondrian-tory
Ilay nifanatrika tamin'ny tavako
Andro tokana monja, tsy niverin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/miatrika-ady-indray | MIATRIKA ADY INDRAY | AORN | Zoky a…
Efa ela zah(o) no niandry
Zato kozikozinao hoe:
“Mahareta leitsy zandry
Mila miafy kely ialah
Fa tsy fahoriana foana
No iainana eto an-tany”
Saingy miherina ny taona
Tsisy miova f’eo ihany
Dia sahirana no eto
tsy afa-bela fa misento
ka de miatrika ady indray
totoafo mahamay
Zoky a…
Tsy adinoko iha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahano | FAHANO | Fredy Jaofera | FAHANO
Na rahoviana, katsaho
ho tonga hatrany an-danitra
ny toky mahatamana ;
fahano ny fanahinao
amin'ny tenin'Andriamanitra
hipoiran'ny hazavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/imbitika-rambala/o-ry-kalaraha-iroy | O RY KALARAHA IROY | Imbitika Rambala | O RY KALARAHA IROY
Bitsika voadian'ny mpantsaka ro iaho
Koa hijekijeky leky tsa malaky
Hamindra leky maharary
Tsa kinian-tena e izao
Fa mafy ny natao'Nagnahary
Aleo tokoa firain'ny mesa
Toa izay firain'ny fitea
Eko ny tarogna tsa diso
Leha tsa alefo
Koa asakasa-droky ny amin'ahy
Sy agnao teha nitarogna
Dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/iza-no-antsoina-tonon-kira | IZA NO ANTSOINA ? = TONON-KIRA | NY Andri-Fara | IZA NO ANTSOINA ?
Iza no antsoina . ( Solo )
Dia iza no handeha . ( Solo )
Moa mba misy zava-tsoa !
Ho anay ankizy koa .
Indreto ny madinikao
Vonona ho miaramilanao .
Hanasoa ny tany hay ;
Ho anao mandrankizay .
Hitory ny anaranao . ( Solo )
N'aiza n'aiza no aleha .
Hizara izay mba azonay ;
Ho an'izay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/tiako-ianao-kanefa | Tiako ianao kanefa | honenantsoa | Tiako ianao kanefa
Tsy saiko ambara
Sao an-diso fanantenana
Izay mety vali-teninao
Tiako ianao kanefa
Fantatro aho tsy ahefa
Ireo hangotinao sy
Nofinao tsy voahefa
Tiako ianao kanefa
Tsy afaka miantefa
Ao am-ponao ao ny
Fitiavako manam-pefy
Tiako ianao kanefa
Misy saranga mametra
Sakana tsy mana-petra
Z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/ny-fibediko-azy-ireny | Ny fibediko azy ireny | heritreritro | Tompo ô
Ny fibediko azy ireny
Ny hatezerako niteny
Isaky ny hananatra azy
Dia hifonako avokoa
Ny fitreronako azy ombieny
Na tsy tiany na nekeny
Ireo famaizana sy sazy
Noheveriko hanasoa
Ireo kapoka sy tsongo
Izay zary nampihombo
Ny alahelo tato am-poko
Sy nananany toloko
Hifonako Aminao daholo
Amin'ny fok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lamina | LAMINA | Fredy Jaofera | LAMINA
Anompanana
ny lamina tsy maty,
na rehefa matory :
ny fiadanana
dia avy ao anaty
fa tsy aiza akory. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsy-hatahotra-ny-loza | TSY HATAHOTRA NY LOZA | NY Andri-Fara | TSY HATAHOTRA NY LOZA
Andeha ny Irakao
Andeha tsy hitalaho .
Hitety izao tontolo izao ;
Noho ny Anaranao .
Eny an-dàlana eny ...Tsapa .
Feno zava-tsarotra .
Ho sahirana ny saina !
Izay hita nampiferinaina .
Ny ao an-tsaina raha ny hita
Samy tiana na tsy tia .
Izay rehetra nanoloana !
Toa tebiteby tsy ahoana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/iza | Iza? | honenantsoa | Iza moa ianao?
No mpamorona tontolo
Mitaiza sy miloko
Anatin'ny literatiora;
Hatraiza ny fisainanao
Maha-valalanina
Maro saro-fakarina,
Ny kanto toa diavolana
Hafantarana izay dinganina..
Moa takatrao ny heviny
Rangom peniny hitoeran'ny
Aingam-panahy novolain'ny sainy,
Re manakoako mibosesika
Tsy tana ny v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djio-zart/i-gasy-kara | I GASY KARA... | Djio Z'art | I GASY KARA...
I Gasy kara...
Malaza mihavagna sy mifankatia
Tia fiaraha-monigna sy miara-dia
Kanefa kara...
Mifamingana andalagna, mamely ankôlaka
Tsy mbô mahitsy fa Tia miôlankôlagna
Mihatsara ivela-gony...
Tsy vahoaka madinika, tsy olo ambony
Vao mitady hizaka anô dia "sambory"
Zagny raha mahazo...
Voatre... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/nofy-lalina | NOFY LALINA | Njakahery ANDRIAMALALA | NOFY LALINA
Tsy tsaroana ny eto an-tany,
Fa toa nofoanan'ny eritreritro,
Fa any anaty nofiko any,
Tena tony izany feriko
Fa iny alina manontolo,
Toa vita sary iray ihany,
Dia foana daholo,
Na ny sento na tomany
Ao anaty masoko ao,
Endrikao tsy analana,
Sady fiainam-baovao,
Ny ririnina nihanafana
Ao anaty s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ho-tonga-olombaovao | Ho Tonga olombaovao, | Nosy Malala | Ho Tonga olombaovao,
Voafatotra aho ry Ray,
Tia mandainga hatrizay,
Tia kely, mpanararaotra,
Vonjeo fa tsy afa-manoatra.
Voafatotra aho ry Ray,
Tsy resiko ny mandrairay,
Tia mifosafosa koa,
Vonjeo aho ry Ray tsitoha.
Voafatotra aho ry Ray,
Afaho, tsy ho mandrakizay,
Ny fitsiriritana ato anatiko,
Ny fialonan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandanny-fo/niara-dia | Niara-dia | mandan'ny fo | Isika lay mpinamana fahiny
Tsy nifankafoy fa nifanjohy teny foana
Isika lay mpisakaiza tsy mba nanantsiny
No hany nosarahin'ny taona
Nifandao tsy satry, tsy mba nisy filazana
Tsy mba nisy fifandraisana koa
Isika zary nifamoy ampo tsy tazana
No indrisy niandry lay tontolo faha-roa
Ankehitriny anefa toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanalahidy | FANALAHIDY | Fredy Jaofera | FANALAHIDY
Ny zavatra azo lazaina
mba hiavaka
ny ora maro sy fotoana :
fanalahidin'ny maraina
ny vavaka
sy hidin'ny hariva foana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/feno-anao | Feno anao | Randja | Feno anao tanteraka aho dia toa tsy hay atao ahoana
ity fo izay mitempo fitia ho anao, izay aloha no azo lazaina
efa zatra anao moa dia mila anao eo anoloana
ho fitaratra fijery, hampitony ihany koa ny saina
Feno anao avokoa moa ny fiainako tontolo
voafefinao tokoa ilay fitia dia toa tsy afa-mifindra any an-kafa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/masoandro-mody | MASOANDRO MODY | Fredy Jaofera | MASOANDRO MODY
Masoandro mody
mahafinaritra jerena
no hany fanafody
mitondra fahendrena.
Masoandro mody
mahavariana etoana
no mandefa fody
hikopaka am-pinoana.
Masoandro mody
mandoko ny tontolo
no efa mahatody
fitoniana be daholo.
Masoandro mody
mampipoitra ny alina,
mampisodisody
izany torimaso lalina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpinamana-nifankatia/mandako | MANDAKO | Mpinamana nifankatia | Ditra sa adalana
Sa mety hoe fankam-panahy tsy tana?
Fa nanjary niova dika lay isika hoe
Mpinamana tany am-piandohana.
Oroka mpinamana sa oro-pitiavana
Lay nifampizarana raha iny nifandao?
Sa sarin'ny adalana tsy natao imason-kavana
No nandrisika antsika hifamatotra toy izao?
Fa toa mamy sady fy ery
Ny mitoetr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandroso-midina | MANDROSO MIDINA | Fredy Jaofera | MANDROSO MIDINA
Mandroso midina
tahaka ny rano
ny fiainam-pirenena
ka dia mitsingidina
izao ka tazano
ny vola sy harena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/aiza-ianao-gasikarako | AIZA IANAO GASIKARAKO | AORN | Aiza ianao Gasikarako iny
toa tsy hita amy mari-drefy
sa de hafa ny ankehitriny
raha taloha tsy nanaiky ho resy
Aiza ianao Gasikarako iny
nipoitra kely dia avy eo nilentika
nosarangotin’ireo vahiny
Fatsoralahy sady be fitetika
Aiza ianao Gasikarako iny
Ny olona ao toa mandadilady
Hafa moa lay ianao fahiny
Sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nisy-toy-izao | TSY NISY TOY IZAO | Fredy Jaofera | TSY NISY TOY IZAO
Tsy nisy toy izao
ny fiainam-pirenena,
avia re, hazavao
ny sedra tsy ekena.
Tsy nisy toy izao
ny fahantrana tonga
ka avia re, iasao
izay mba hahadonga.
Tsy nisy toy izao
ny olana nandrasana
maro no nandao
ka nivoha ny fasana.
Tsy nisy toy îzao
ny fijaliam-bahoaka
ka avy ny raorao
fa ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy/mandako | Nofy | mandan'ny fo | Dia ho sanatria ve ka ho nofy ihany
Lay isika nifampizara fitia?
Fa toa feno amamiana tsy mety lany
Toy ireny zaza mifankatia
Fa mamy sy mangindy nifanesisesy tao
Adiady kely manify
Alahelo, fifaliana tsy misy toy izany
Kanefa moa indrisy
Indrisy fa zary nofy ihany sisa
Lay isika nifanaiky ho doria
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/raha-sendra | RAHA SENDRA | Njakahery ANDRIAMALALA | RAHA SENDRA
Raha sendra manirery,
Any an-tany lavitra any,
Izaho mantsy anao irery,
Ataovy anaty saina izany
Raha sendra anao ka manina,
Ka te-hahita izato tavako,
Alaivo sary ao an-tsaina,
Dia ho tony ianao rahavako
Raha sendra anao ka mba nisaina,
Hoe niova ve izato foko ?
Ny fetra anie hoy aho ka ny aina,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahereza | MAHEREZA | Fredy Jaofera | MAHEREZA
Na inona olana
mandreraka eny ihany
ka tsy mazana,
irery ny volana
fa mamiratra hatrany
rehefa tazana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-ifampizarana | REHEFA IFAMPIZARANA | Fredy Jaofera | REHEFA IFAMPIZARANA
Rehefa ifampizarana
ny zava-drehetra
dia tsy ho hay rarana
ny soa te hitoetra.
Rehefa ifampizarana
ny fiainana misy
dia mbola higagana
ny vazon'ny lisy.
Rehefa ifampizarana
ny ahiahy ireny,
handositra tsy tana
ny fijaliana teny.
Rehefa ifampizarana
ny alahelontsika,
ho moramora hialan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-tsy-misy-asa | RAHA TSY MISY ASA | Fredy Jaofera | RAHA TSY MISY ASA
Raha tsy misy asa
ny fitiavana
dia hanjary lasa
tsy mavana.
Raha tsy misy asa
ny faniriana
dia tsy afa-mikasa
ny itokiana.
Raha tsy misy asa
ny tarigetra
dia ho fo voarasa
no hitsetra.
Raha tsy misy asa
ny fiarahana
dia tsy avy hanasa,
hisintahana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/nahoana-loatra-tohinny-feoko-mitaraina-tsy-nahoako-saingy | NAHOANA LOATRA = tohin'ny : Tsy nahoako saingy . | NY Andri-Fara | NAHOANA LOATRA
Feno ny kapoaka , namoahana ny marina
Maro ireo voasambotra nambotry Firenena .
Nisy ireo nitsoaka nilaza ho marary....,
Navoaka any ivelany , tsy voatsabo eto an-toerana .
Misy indray ireo lazaina nahavita heloka tsy ferana
Tsy hita hoe nankaiza ...Fa namparitaka ny sariny .
Sady tsy any am-ponja... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tolontsoa-ulriche/tantara-lasa-izayatolotra-ho-anny-andri-fara-album-aina-nafindra | TANTARA LASA IZAY......Atolotra ho an'Ny Andri-Fara . | Tolontsoa Ulriche | TANTARA LASA IZAY
Tola ihany 'lay fitiavantsika
Raha noheverina haharitra .
Tola ihany tsy finaritra ;
Tola saingy tsy tarehin'antitra .
Fa tola azo havaozina ,
Tola , nefa nofohazina ;
Sitrakao ve izany...?
Mbola haharitra ihany ve ny amintsika ?
...Dia mba hanoratra
Ho anao ihany koa ry taniko ;
Hampirobor... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara0/tsy-nahoako-saingy | TSY NAHOAKO SAINGY... | Ny Andri - Fara | TSY NAHOAKO SAINGY
Tampoka loatra ny fahafantarako
Fa inty Nosy tanindrazako ,
Efa ela no nadaboka nazera !
Kanjo nihevaheva tsy hita hoe nahoana ?
Madagasikara tany nahahonina ?
Toera-nipetrahan'ireo razako taloha .
Ahy antsika tsy nindramina...,
Ka nahoana ny hafa indray no tompony ?
Harena sesilany ...Zava-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-marina-indray | NY MARINA INDRAY | Fredy Jaofera | NY MARINA INDRAY
Ny Marina indray
no takonana
ka dia namaivay
ny nironana.
Ny Marina indray
no nafenina
ka dia nangaihay
sy nanenina.
Ny Marina indray
no nodisoina
ka kivy indraindray
fa novonoina.
Ny Marina indray
no fahavalo
ka tsy zakany izay
vao mandalo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsy-misy-lohateny-izy-ity-akory-fa-sari-teny | TSY MISY LOHATENY IZY ITY AKORY FA SARI-TENY | NY Andri-Fara | " Satria ny olombelona mikatsaka Fiadanana , dia takiany ho tsara ny faram-piainany " Raphaël Spartacus ....
" Takiako ho anao ny fahasambarako satria tiako ianao...." Heri-Miary
" Ho anao....Iangaviako ianao tsy hitsikera izay voasoratro , saingy tiako ho izy no hitsikera ahy...Satria fantany fa ho azy no antony ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/tomotra | TOMOTRA | Njakahery ANDRIAMALALA | TOMOTRA
Dieny mbola tsy manako,
Feon'antsiva ho fanairana,
Sao ho tratran'ny ankaso,
Amin'ny zavatra miserana
Dieny mbola tsy manisa,
Ny hoe ray roa sy telo,
Sao variana hamisavisa,
Dia avy eo koa halahelo
Dieny mbola tsy mipaika,
Ô izato ora farany,
Sao matory ka taraika,
Ka tsy ahita izay fiafarany
Dieny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/noho-izy-album-aina-nafindra | NOHO IZY | NY Andri-Fara | NOHO IZY
Angamba andro iray
Tsy misy fiafarana .
No angatahiny ho an'ny namany ;
Matoa izy toa tsy rototra .
Mandray izay teny reny
Tsy mamakafaka akory .
Mamoaka didy jadona ;
Hanamelohana ny namana .
Dia indro 'lay sakaiza
Mihenahena tsy misy fiafarana .
Mirenireny lasa adala ;
Eran'ny tànana .
Fenofeno ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lainga-inoana | LAINGA INOANA | Fredy Jaofera | LAINGA INOANA
Lainga inoana,
tonga marina
rehefa ekena ;
aza irosoana
sao hivarina,
saro-bonjena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/raha-toa-ka-ianao | Raha toa ka ianao | Randja | Raha toa ka ianao no mihazona ity tanana
dia tojo olon-tiana ka heniky ny hafaliana
fa ianao ilay anjely mpiandry mampisy hery hitsanganana
hanafaka ny gadra, hanafoana fijaliana
Raha toa ka ianao no mitoetra eo anilako eo
dia mitondra famonjena, manafaka fatorana
fa ianao no mpamonjy sy faniloko rahateo
mpanome... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fony-isika | FONY ISIKA | AORN | Fony isika nifandray
Satry foana hifankahita
Satry foana hifampijery
Saingy tonga ny andro iray
Niala maina samy vita
Samy te handeha irery
Fony isika niara-nioty
Lay fitia vao vaky Felana
Satry foana hifangia
Fa lay zatra ngotingoty
Toa nandalo dia niserana
Torotoro ilay fitia
Fony isika nanantena
Fa hiar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/miala-vizana | MIALA VIZANA | RASOA | Aleo aloha mba Miala vizana
Rehefa avy eo indray Io azonao tohizana
Tsapako Mihitsy efa tena osa
Mety ahazo hery raha mitsotsotra
Izato lohanao mila fanimpanina
Ekeo fahendrena ny miato sy mijanona
Andeha misotro rano sady maka aina
Fa tena vizana ny vatana ary savolaina
Ireto taolana koa toa manakotsako
Mila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/satriko | SATRIKO | Njakahery ANDRIAMALALA | SATRIKO
ENy satriko dia satriko,
Ilay fitiavanao na tsy hitoetra eto intsony,
Sy haharihary eto imasoko rehefa eny an-tratrany eny,
Aza asiana ahiahy fa ny ahy ny fo tony dia tony,
Aza atao ankiafinafina f'izaho tsy hiady velively
Satriko aza ianao tantanany,
Mba ho sambatra kokoa sy ho tsikitsiky hatrany,
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ianao-sy-izaho-album-aina-nafindra | IANAO SY IZAHO | NY Andri-Fara | IANAO SY IZAHO
Matoa nisy izaho
Dia noho ny anarako...
Tsy niala teo am-bavako ;
Nikalo ny vesatry ny fahoriako .
Dia indro izaho
Teny antsefantsefan'ny alokin'ny nofy !
Nikaroka ny foko ;
Tsy fantatro na lasanao
Ary izao tontolo izao
Ny tany sy ny lanitra .
Niezaka nitady ahy sy anao ;
Sasatrin'ny nifampit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitahiry | MITAHIRY | Fredy Jaofera | MITAHIRY
Mitahiry fitiavana
ho anao mangina
ny foko, ry tiako,
na nisy fandavana
sy fangirifiriana
tsy mba niriko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mieritreritra-be | MIERITRERITRA BE | Fredy Jaofera | MIERITRERITRA BE
Mieritreritra be
fa mahatsapa kely
ny fiarahamonina
ka sahirana ange
fa tsy tia velively
ny soa nangonina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rjh/tia-fa-tsy-te-ho-anao | Tia fa tsy te ho anao | Rjh | Mety efa renao angamba e?
Renao tamin'ny mpiara-mianatra sy ny ankizy rehetra manodidina antsika hoe... niova aho
Niova ilay babo sady trotraka fa lasa leo sady Tofoka
Tofoky ny laingalainganao madinika, ny maika hody lava tsisy farany rehefa isika mba mirava fa.... hay izaho no tena adala.
Fa noheveriko ho fanarat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vorona-amboninny-hazo | VORONA AMBONIN'NY HAZO | Fredy Jaofera | Vorona ambonin'ny hazo
no tadiaviny hasiana sira
ka tsy takany ny hahazo
itony tanjona lasa arira.
Vorona ambonin'ny hazo
no lazainy fa eo an-tanany
ka ny vina rehetra, topazo
fa nanimba ny fiadanany.
Vorona ambonin'ny hazo
no nambarany fa matsiro
ka ny hadalany re, tatazo
ary aza ekena sy halaviro.
Vorona ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fiafarana-ve | FIAFARANA VE ? | Fredy Jaofera | FIAFARANA VE ?
Fiafarana ve
ny fahafatesana
sa fiantombohan-javatra ?
Asa loatra re
raha fankanesana
any amin'ny misy ny lafatra ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/nisetra-album-aina-nafindra | NISETRA | NY Andri-Fara | NISETRA
Mbola reko ato anatiko
Ny Fahoriana izay niainako .
Nandritra ny androm-piainako ;
Mafy ka tsy laitrako .
Nizaka izay tsy zaka
Terena mba hanaiky !
Vesarana ny vesatry ny banga ?
Ny tontolon'ny tsy tiany .
Reko nitaraina...hiram-betsovetso
Ato anatiko mangina ...feno sento ;
Ity foko manirery , akaik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mamy-nolalovana | MAMY NOLALOVANA | RASOA | Misy foana
Ny androm-pahatsiarovana
Ny saina raha manaiky
Ity vatana torovana
Efa hatrin 'ny ela
Ny tany fahalovana
Tsy hataoko mihitsy handresy
Ny mamy nolalovana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-irery | HO IRERY | Fredy Jaofera | HO IRERY
Ny lesona afafy
tsy hananan-tsiny
sy tsy haneritery :
raha te ho mafy
ianao ankehitriny,
mianara ho irery. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/anjarako | ANJARAKO | Njakahery ANDRIAMALALA | ANJARAKO
Tsy vao izao no nifanojo,
Na sori-dalana vaovao,
Fa fony tany anaty kibo,
No efa ary ho ahy ianao
Tsy kisendrasendra akory,
Fa efa lalana voasoritra,
Efa voatsimoka ao am-pony
Saingy izao vao nipoitra
Tsy fitiavana namboarina,
Na fitia nambolena,
Tena sarotra fantarina,
Ny fo koa tsy noterena
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/faniriako | FANIRIAKO | Njakahery ANDRIAMALALA | FANIRIAKO
Teny kely iray mafonja iriko fatratra ato anatiko,
Mampitoetra nofinofy tena lalina ato an-tsainko,
Tsaroana toa mavesatra ary koa toa mankarary,
Fa ny tontoloko rehetra, efa vita sarisary,
Zary ratra toa manindrona ny fo fotsiny ihany,
Fa na rahoviana na rahoviana tsy ho fantatrao izany,
Tsiambaratelo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/rehefa-tony-iny-ianao | REHEFA TONY INY IANAO | Njakahery ANDRIAMALALA | REHEFA TONY INY IANAO...
Rehefa tony iny ianao...
Ho tantaraiko sy ho lazaiko izay niafina rehetra,
Raha izao mantsy ianao tsy hino,
Ka hilaza teny ratra.
Rehefa tony iny ianao...
Izao no mba fiangaviako,
Na efa niova aza ny fonao,
Ka efa nanana nofy hafa,
Henoy aho hilaza farany izay niafina rehetra.
Tsy han... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-fampita-andrianaivo/fitiavana-ve | Fitiavana ve? | Ni Fampita ANDRIANAIVO | FITIAVANA VE ?
Endrika ve ô ry tsiky
No avelo mpandolo anao?
Eny, dindona iky
Tsikitsiky amin-kalo fanao
Embona ve ô ry sento
No angady namongatra anao?
Eny f'izany ny eto
Sentosento no setrin-dalao
Fitiavana ve ô ry fo
no angola nampihira anao?
Eny fitiavana tsy lo
Foko liaka mandrak'izao.
In "Tsy Angola"... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/ampianaro-aho | AMPIANARO AHO | Njakahery ANDRIAMALALA | AMPIANARO AHO
Ampianaro hahay handefitra sy hitia ireo fahavaloko,
Ka hivavaka ho azy ireo mba hanova izay kasainy,
Eny na mavesatra ny hampangina izay tsy tantiko,
Eny na mafaitra ny hamela izay nontsaininy.
Ampianaro mba ho tony raha sendra ka sendoatra,
Mba hahay hisaina tsara ny ho vokatrin'izany,
Eny ny olo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kanosa | KANOSA | Fredy Jaofera | KANOSA
Olona kanosa
izay mahasahy
mahafoy ny reniny,
tsy ho tontosa
ny ora voatahy,
na inona no teniny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ireo-rehetra-nobiazina | IREO REHETRA NOBEAZINA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mahatsiaro an'ireo rehetra,
zandry zanaka nobeazina,
am-pitiavana tsy misy fetra,
ny nahatafitany no noezahina.
Maro ny tsy taova tsy volivolo,
nosokajina toy ny zanaka ;
nisongadina, naha velom-bolo,
olom-banona toa taranaka.
Ao ireo kibo iray no nifonosana,
nifanabe tamin-potoana sarotra ;
dobo iray no nilo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tiako-ianareo | TIAKO IANAREO | RASOA | Tiako ianareo
Matoa isika miady
Samy manana ny marina
Nefa koa mitady
Izay hiraisana hatrany
No hatao imasoana
Izay heloka vita
Efa nibaboana
Ny tsy eo am-pelatanako
Foroniko tsy mihambatra
Raha izany no heverinareo
Ho tena mahasambatra
Tsy mitsitsy aina aho
Tsy misy hakiviana
Ny tsikinareo
No tena fifal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aingankalo/samb%C3%A0ra | Sambàra | Aingankalo | Mahità ny soa, mahita ny tsara
Izaho efa tsy anjara, nivalona ho tantara,
Tohizo ny lalana, efa iny ny sampananana,
Adinoy ilay notiavina, aza raisina ho namana.
Te hiteny aho hoe, mandrapihaona
Saingy aleo ny aloka alavirina tsy hitondra hatsiaka,
Te hiteny aho hoe, any anaty nofy indray mihaona,
Saingy nofy ri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/natao-iray | NATAO IRAY... | Fredy Jaofera | NATAO IRAY...
Natao iray fanahy
ny mpivady ;
natao hifampiahy
f'efa nivoady.
Natao iray saina
ny mpivady ;
natao hifampiaina
ny mianjady.
Natao iray safidy
ny mpivady ;
natao iray handidy,
aza fady !
Natao iray tigetra
ny mpivady ;
natao iray toetra
fa tsy miady. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tonga-eto | TONGA ETO | Fredy Jaofera | TONGA ETO
Tonga eto ny tsiaro mangina
Avadibadiky ny fangirifiriana,
Tairin'ny fo mitady fitiavana
Anefa dia moana, rahavana,
Maraina ny androko etoana,
Ovay tsy ho fisentoana !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aingankalo/aiza-iza-nahoana | Aiza? Iza? Nahoana? | Aingankalo | Tsy feo re manako mamaly zato sento
Zato foko toa banga, tsy ampy anao eto
Io i neny, tena tia… I dadabe, I nenibe
Kanefa… aiza? Iza? Nahoana?
Satriko hamantatra… izay mba dadako.
Satriko hibadabada… hiantso an’I dada!
Dada o!!!
Banga anao ny foko, ianao ilay tsy fantatro
Ianao ilay nandeha, tsy nierika intsony... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aingankalo/mitsiky-mitraka-miatrika | Mitsiky, mitraka, miatrika | Aingankalo | Mety hoe vava latsaka tanaty rihatr'hatezerana,
Na koa vava tsy ambina, tsy tamim-piheverana,
Kanefa... Nirakitra... Toa Antsibe nanetry,
Nanindrona... Nandrirotra ilay feriko.
Tsaroina foana ireny, teny mafy, miaro latsa!!!
Maneloelo ireny, mandindondindona tsy mety ho lasa!
Ny hany heriko mitsiky, mitraka dia m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ivavaho | IVAVAHO | Fredy Jaofera | IVAVAHO
Ivavaho ireo
ao anaty fijaliana
hiala ny toreo
ka hisy fifaliana.
Ivavaho ireo
ao anaty tebiteby
hiova, ry zareo,
ny mandrebireby.
Ivavaho ireo
ao anaty sorisory
hoavy hiseho
ny tiany tsy ho ory.
Ivavaho ireo
ao anaty fahantrana
trotraka sy leo
hahita fahagagana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aingankalo/vitako-ny-zanako | Vitako ny zanako | Aingankalo | Tsofiko rano, hahita izay mahasoa
Tsofiko rano, hahita izay iriana,
Izaho tsy hitàna fa vitako ny zanako.
Mahaleova, mahalasana, fa vitako ny zanako.
Mbetika ndraindray, lasa ny ambiroa..
Lasan'alahelo, olombelona ihany moa...
Saingy na mafy aza ny ady irery,
Tsy hanenenako, tsy iverenenako...
Eny, tsy maintsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aingankalo/sombiniaiko | Sombiniaiko | Aingankalo | Naharay antso aho iny maraina an'iny
Miandry ahy any hono ilay ho faharoan'ny aiko.
Nidoboka ny foko, tsy nahatombona ny saiko...
Satriko hiazakazaka hampandroso ilay vahiny!!!!
Kanefa... toy ny tselatra fidoboka, Ora iray monja...
Nisambaoarava tsy nitony, nasiaka sy nanonja...
Ilay ranomasim-pahasomparana!!!!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aingankalo/nopehinao-ilay-tanana | Nopehinao ilay tanana, | Aingankalo | Nopehinao ilay tanana, hanokatra ilay boky
Efa tsara pirina, hoe… tsy ho sokafana intsony,
Nandraketana ireo tsiahy, ireo tomany, ireo toloko
Ireo niniana hoadinoina, ireo nokoloina tsy hifoha.
Kinanjo…
Nopehinao ilay tanana, hanokatra ilay boky
Dia nibosesika ireo sary, ireo teny, ireo fitaka sy toky
Tsy voatoh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tena-toloko | NY TENA TOLOKO | Fredy Jaofera | NY TENA TOLOKO
Mafy ny tena toloko
nahafotsy ny voloko
fa tsy mba nahakivy
na nahararaka ny ivy.
Mafy ny tena toloko
halan'ny maha-oloko
fa mampitsiky foana,
na nisy nahamoana.
Mafy ny tena toloko
nanahirana ny loloko
fa mijoro eny hatrany,
manantena aok'izany.
Mafy ny tena toloko
namely ny tontoloko
fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/anatriavina | SANATRIAVINA | DADAFARAtolotra | Isika ilay voly tsy nety namelana
Isika ilay aloka sendra niserana
Isika ilay orana tandrifin-drahona
Isika ilay mamy tao an-tsefam'bahona
Isika ilay lalana tsy afaka hizorana
Isika ilay lamba fa tsy azo hisalorana
Isika ilay afo tsy mety hamindroana
Isika ilay lasa tsy maintsy hadinoana
Isika ilay dobo tsy met... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aingankalo/11fara-veloma | 11. Fara veloma | Aingankalo | Nierina ny herinandro, toa nanidina, toa indray nipi maso,
Tsy hita notazonina, nihazakahazaka tsy hita hoe andraso,
Kanefa... Toa mbola marary ny aty foko, ny saiko tsy mino...
Ilay fara veloma tsy nifanatrehana, mbola maneloelo, dindo tsy hay vonoina.
Eny e, iny lalana iny efa niodinana, tsy hodiavina intsony,
E... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/omeo-fitoniana | OMEO FITONIANA | Fredy Jaofera | OMEO FITONIANA
Omeo fitoniana
ny fiainako
no fiangaviana
itarainako.
Omeo fitoniana
ny tomany
tsy ho fijaliana
eto an-tany.
Omena fitoniana
ny alahelo
tsy ho hakiviana
misy avelo.
Omeo fitoniana
ny sedra be
tsy ho fanaviana
ny mandeha. |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.