url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanaperana/tsy-izaho | ... Tsy izaho ... | Fanaperana | Aza terenao aho mba hanaiky mora foana ny fiverenanao,
aza dontoinao ny saiko hoe : " mifamatotra aminao ny fiainako "
Tsy afa-miaina aho raha tsy misy anao ,
Fa hainao tsara ny marina hoe: Niova aho
Tsy 'zaho intsony ilay tovovavy fantatrao fahiny ,
eny ! Tamin'ireny aho tonga dia mipetraka vao treromin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-to-ny-faniriako | TSY TO NY FANIRIAKO | AORN | Tsy to ny faniriako
Raha toa tsy teo Ianao
Ry Ray Malala Tiako!
Ka ambarako eto izao:
Fa ny anton’ny fisiako
Dia noho Ianao ihany
Reo voa zay nitsiriako
Avy aminao hatrany
Ny taona nifandimby
Sy ny andro Mbola hiainako
Nananako safidy
Nampandry ny fisainako
Fa teo tokoa Ianao
Zay hany reharehako
Ry Tompo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/ny-gasy-ankehitriny | Ny gasy ankehitriny | heritreritro | Ny gasy ankehitriny?
Olona efa very tanjona
Sy resim-pahantràna
Tsy miraika, tsy talanjona
... Manaiky fandrobàna
Ny gasy ankehitriny?
Manaranara-poana
Ny fomba avy any ivelany
Na ratsy izany na mivaona
Ny azy kosa dia navelany
Ny gasy ankehitriny?
Ao 'reo matin-kambo
Kanefa tsy tafarina
Variana mihaza lam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/kodiaran-tsarety | KODIARAN-TSARETY | AZRAEL | Tsy vitsy fa maro ireo fahavalo
Miezaka hanimba ity fiaina-mandalo
Kanefa ry aiko aza mora mimalo
Fa ny tarainanao soloy kalokalo
Ny aady isan'andro efa tsy omby tratra
Ny kapoakamangidy koa mihoatra ny fatra
Kanefa ry aiko aza kivy sahady
Fa raha mbola eto an-tany tsisy resy tsy miady
Raha sendra naniry ny vo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/ekeko-izany | EKEKO IZANY | Njakahery ANDRIAMALALA | EKEKO IZANY
Izay efa nomenao ahy,
Na ny tsiky na tomany,
Amin-tsaina amam-panahy,
Ray ô, ekeko izany
Na ho sedraiko an-kalahelo,
Na hamelona tomany,
Na ratram-po mamerovero,
Ray ô, ekeko izany
Na ny ritsokin'ny jaly,
Na ho sento sesilany,
Eny na dia maharary,
Ray ô, ekeko izany
Na tsy hahazo izay iriko,
E... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/ary-ny-tsy-ary | ARY NY TSY ARY | Heriarilala Andriamamonjy | ARY NY TSY ARY
Ary ny tsy ary,
misy ny tsy nisy.
Niova koa ny sary
dia izao aho mitampify
eto an-tratranao.
Tsy novinaiko mihitsy
ny hitrangan’izao.
Ny anao efa kinasa
f’izaho nidify foana.
Ninia namorona asa
tsy hananana fotoana
hiarahana aminao.
Tsy hay hoe fomba ahoana
no nitrangan’izao.
Ary ny tsy ar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara0/naleoko-tsy-ianao-album-nofy-sy-tamberina-na-ilay-sakaizanny-resy | NALEOKO TSY IANAO ( Album Nofy sy Tamberina ) na Ilay Sakaizan'ny resy | Ny Andri - Fara | NALEOKO TSY IANAO
Mbola ho alina ny andro
Tsy maintsy hisy ny maraina .
Ka tsy ho Nofy intsony ,
Izay rehetra mba iainako .
Kanefa tsy hamela ahy
Ho safononoky ny hasambarana .
Ny fahitako anao moana tsy miteny ;
Tsy fantatro hoe,ahy ve ny fahadisoana !
Tantara fohy no fantatro
Ny lasantsika ny hoavintsika ;
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hidiko | HIDIKO | Fredy Jaofera | HIDIKO
Fifaliako
ny taloha
nipoitra tao ho ao
ka hidiko
ato am-po
ny fitiavako anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/aleoko-ihany-nofy | ALEOKO IHANY NOFY | Mahalia❤✨ | ALEOKO IHANY NOFY
Angamba raha ho to ilay nofinofintsika
Dia tsy mba tambo hisaina izay mety ho disadisa
hanamontsana ny kely fahasambarana
s'ilat mba hany nitambarana
Angamba fahoriana no handom-baravarana
sy hisosoko an-daharana
(ka aoka mihitsy aloha e)
Aleo tsy hipendapenda handrehitra mololo
Fa mafimafy i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tombanana | REHEFA TOMBANANA | Fredy Jaofera | REHEFA TOMBANANA
Rehefa tombanana,
izao no ambara,
sady koa mamehy :
ny olona manana
eritreritra tsara
dia tsy ratsy tarehy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/fotsiny | FOTSINY | Mahalia❤✨ | FOTSINY
Tiako izao raha hoe mba mira ny eritreritra
Mamiko ihany koa na aza an'(n)ofy FOTSINY isika no hiresaka
F'izany izao no hitako hoe mampionona ny saiko!!!
Ny hafa ankoatra izay tsy misy loatra ilaiko
Fa mampivadika atidoha! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/hetahetako | HETAHETAKO | Njakahery ANDRIAMALALA | HETAHETAKO
Tanteraho ny faniriako,
Ray ô! Raha sitrakao,
Ka hanjary fifaliako,
Raha izao no atolotrao
Mba ekeo izay nofidiko,
Italahoako aminao,
Mba ekeo fa io no tiako,
Ray ô! Raha sitrakao
Atolory mba ho ahy,
Ray ô, iantrao
Fo sy saina amam- panahy,
Indro efa fantatrao
Io re no tiako indrindra,
Koa mete... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/leyin-tsy-ankisaona | LEVIN-TSY ANKISAONA | Heriarilala Andriamamonjy | LEVIN-TSY ANKISAONA
Maty ! Maty !
Izay no itondrako anao !
Tsy maintsy tanty ! Mafy !
F’izaho tsy hisaona anao !
Efa voalevina !
Efa voarindrina ny varavaram-pasana !
Tsy maintsy ataoko levona
ny tsiaro sy ny tsiahy tamin‘ny andro lasana !
Levin-tsy ankisaona,
ny sentoko himaona
fa ny ranomaso raraka
efa ri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsy-mba-amidiko-ny-foko-limailaka-ny-andri-fara | TSY MBA AMIDIKO NY FOKO . | NY Andri-Fara | TSY MBA AMIDIKO NY FOKO
Tsy vahotry ny nenina
Tsy hitako afenina .
Fa tototry ny rariny ;
Lanaky ny ankasony .
Ny ahy tsy amidiko ny foko
Aleo zakaiko na hampitoloko .
Izay rehetra afafainao ankehitriny !
Tsy maninona ho ahy tsy fidiny .
Izaho 'lay trotraky ny ady
Notefena mba ho resy .
Nomelohina tsy diso !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/ranomaso-tsy-mahalena-afo | RANOMASO TSY MAHALENA AFO | Heriarilala Andriamamonjy | RANOMASO TSY MAHALENA AFO
Tsy hahalena afo ny ranomasonay pôeta
Be loatra ny ankaso, tafahoatra ny herisetra
Ny tanin-janakay no ataonao montsamontsana
Misamonta ny antsojay, nitobaka ilay nihontsana
Ny efa karakaina va mbola mety ho lonaka ?
Izahay moa hanao inona rehefa izay no sitrakao
Saingy tsy ho azo ampan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fiarahana | FIARAHANA | Fredy Jaofera | FIARAHANA
Ny tena mavana,
lavi-panaintainana
sy mitombina tokoa :
ny fitiavana
dia fiainana
iarahan'olon-droa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/nofinizao-tontolo-izaoko | Nofin'izao tontolo izaoko | Heriarilala Andriamamonjy | NY NOFIN' IZAO TONTOLO IZAOKO
Ny nofin’izao tontolo izaoko no asandratro eto,
tsy ankisentosento
na ankitaraindraina
fa velona aho ka miaina
sy manam-paniriana
tsy tokony hidifiana.
Ny nofin’izao tontolo izaoko no atosako izao
ka mandrenesa ianao
ry fanahy mpanatanteraka
mpanarina ny ketraka
mpanohana ny lav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/izay-mba-eritreritrao-album-nofy-sy-tamberina | IZAY MBA ERITRERITRAO | NY Andri-Fara | IZAY MBA ERITRERITRAO
Nohariana hiara-monina
Itony velona rehetra ?
Ka na biby io na olona !
Vala iray hiara-itoetra .
Ity gilaoby no natao
Fahitra iririavana ?
Dia nivelona sy niaraka ;
Tamin'ny fo ombam-pitiavana .
Voka-dratsim-pahotana
Hovitrovitra , ahiaihy ,
Niterak'asa ratsy koa ;
Sotasota , adilahy .... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nampitsiky | NAMPITSIKY | Fredy Jaofera | NAMPITSIKY
Raha tonga dia hanitsy,
inty no hafatra
ka ekeo sy araho :
tsy anenenana mihitsy
izay zavatra
nampitsiky anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahendrena | NY FAHENDRENA | Fredy Jaofera | NY FAHENDRENA
Ny fahendrena,
mahela velona
rehefa volena,
ry olombelona.
Ny fahendrena,
zava-tsarobidy
tsy ho tangena
ny hangidihidy.
Ny fahendrena,
fahasambarana
mivatsy harena
ka azo ianarana.
Ny fahendrena,
mitondra rindra
tsy mampivena,
iaraho indrindra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mira-andriamampianina/amiko-album-aina-nafindra | AMIKO | MIRA ANDRIAMAMPIANINA | AMIKO
Amiko ny Ray
Mikely aina fatratra
Mampomba an-tambitamby ,
Mamy ka tsy foiko
Tsy mahalala sasatra ,
Mpibedy sy mpisangy .
Amiko ny Reny
Mitondra folo volana
Misotro ny tsy tiana .
Tsy haiko hosoloina ,
Mpamaha irony olana .
Mpizara fifaliana .
Amiko ny vady
Afaka manoro
Mitantana ny diako ,
Manolo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/fitaratra-dratsy | Fitaratra-dratsy | Heriarilala Andriamamonjy | FITARA-DRATSY
Lesona nomena ny kidorodoro,
orinasa an-jatony, montsana daholo.
Olona an’arivony no tsy an’asa intsony
noho ny fisosin’ny sasany ry itony.
Ry zalahy ambonimbony mandefa volamena,
ireo vaventy sasany manondrana andramena
ao koa ny manakalo ireo harena sarobidy,
tapikany amin’izany ny sokatra amam-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/izao-soratra-izao | IZAO SORATRA IZAO | Njakahery ANDRIAMALALA | IZAO SORATRA IZAO
Vavolom-belona tokoa,
Fa ny asa soratra dia kanto,
Mitahiry lovasoa,
Taona lasa aman-jato
Dia porofo hita maso,
Fa ny poeta dia mikalo,
Mandrary soratra tsy miato,
Ho amboaran-tonokalo
Dia ainga izay nanosika,
Fa misy hafatra hampitaina,
Ny any anaty toran-kovitra,
Fa ny tany mitaraina
Di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/ianao-no-p%C3%B4eziako | Ianao no pôeziako | Heriarilala Andriamamonjy | Ianao no pôeziako!
Fanahy namoha fanahy,
nandevona ny tsiahy
sy ny lasa tsy mahasoa
nanaitra izato fo.
Ianao no pôeziako,
andalan-tononkirako,
haingohaingoiko rima,
fy ka tena tiana.
Namono ny ahiahy,
nandevona ny tsiahy,
namongotra hakiviana,
namongatra hafaliana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malala-rahalisoa/fitia-avy-aminny-fo | Fitia avy amin'ny fo | Malala Rahalisoa | Hatramin'izay nahitako anao
Dia tsapako ao anatiko ao
'lay fihetseham-po tsy hay faritana
Tsy hay lazaina
Mamelombelona aina
Nefa koa indraindray mandorondoro
Fa maniry anao hikolokolo
'lay fo midobodoboka
Noseraninao dia roboka
Hé! 'zato fijerinao malefaka
Soa fa fitia mifamaly
Raha tsy 'zany angamba nankar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsy-nisy-mpanontany-album-aloka-sy-tamberina | TSY NISY MPANONTANY | NY Andri-Fara | TSY NISY MPANONTANY
Tiana a! aza avelanao ho irery
'ty mahantra tsy miteny .
Manoraha raha azonao atao ,
Fitia iray tiako mba atolotrao .
Fa raha iny mba nitady
Izay hotolorako fitiavana ,
Dia ny endrikao no tazany ;
Foana teo ilay fitiavana
Tsy nisy mpanontany
'ty mpanolotra fitia .
Hany hery mitanondrika ;... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/ao-anatinny-alina-mangina | AO ANATIN'NY ALINA MANGINA | RAVINALA | Ny alina mangina no nasoloko fitaratra
Rehefa injay ianao variana miandrandra izany lanitra
Tsy mahita ny mangidy sy ny ola-ko eto an-tany
Mandratra izany foko feno sento sy tomany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/indraindray | INDRAINDRAY | TSY RENDRIKA Spica | Indraindray ianao tiavina dia miavonavona eny
Indraindray ianao mitia fa tsy mahasahy miteny
Indraindray ianao tiana sy hajaina dia manitsaka
Indraindray ianao mifitsaka
Na olo-mampijaly
Dia indraindray ianao marary
Indraindray mba tafalatsaka amin'olona tsy anjara
Indraindray mba lany andro amin'ny resaka tsy h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/any | ANY | Fredy Jaofera | ANY
Any fihemorana
tsy hita ambara
mila hahatorana
mahabe tantara.
Any fahantrana
ho an'ny rehetra
tsy tia fanovana
ka mampitsetra.
Any fahakiviana
manadala saina
maro fanahiana
isaky ny miaina.
Any fandotoana
lavi-panadiovana
misy famonoana
ka mahatorovana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/narary-ela | NARARY ELA | Fredy Jaofera | NARARY ELA
Tsy namela
ny fo hiriaria
ny fotoana
fa narary ela
ny ratram-pitia
nahamoana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/vita | Vita | Ranoala | Maimbomaimbo fitiavana, manimanitra hafaliana
ity tokarano kely.Dia anao no maminany, o! mba inona ary zany?
Mankovizy sy hafahafa fandoko ohatra
ilay akamanao nefa te hilaza.dia Ianao mpihaino no nivohitra!
te ho tononkalo nefa tsy izy, toa tantara sy mba hira?
eny, henoy ihany na mivalana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/ankamantatra | ANKAMANTATRA | Njakahery ANDRIAMALALA | ANKAMANTATRA
Rindrim-by tsy azo ihoarana,
Tsy takamaso ho tazanina,
Ny ambadik'io havoana io,
Mety ho oram-pahavaratra
Ny ao tsy hay hoe mazava,
Na koa maizina mikitroka,
Sa angamba fenomanana ?
Nefa mety koa ho rahona
E! Toa visavisa ihany,
No isainana anizany,
Ny dia ity miroso hatrany,
Fa iny lalana iny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahery-ny-vavaka | MAHERY NY VAVAKA | Fredy Jaofera | MAHERY NY VAVAKA
Rehefa rako-pery
sy any an-davaka
tojo fahoriana,
tsy misy mahery
noho ny vavaka,
na rahoviana ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/rehefa-tia | Rehefa tia | Vetso mena | 1- Rehefa tena tia dia mahatsapa hafaliana
Sambatsambatra ery fa akaikin’olon-tiana
Mizara teny mamy no sady feno tsikitsiky
Hany fahasambarana foana no hita mitsiry
2- Rehefa tena tia koa anefa mety misy tomany
Mety hisedra olana, mila tsy ho hita izay hiafarany
Na ny fisarahina na ny hakiviana, samy mankarary
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rolly-casimir/fitiavani-neny | FITIAVAN'I NENY | Rolly Casimir | FITIAVAN'I NENY.....
Zandry a!
Tsy sasatra aho mananatra sy miteniteny
Fa sarobidy loatra ny fananana an'i Neny
Tokana aman-tany io ka hajao sy ankatoavy
Impiry efa torovana io dia impiry efa nanavy
Fa....tsy tiany ho fantatrao
Fa sombiniainy ianao dia....
Tsy nahalalany vizana na inona adim-piainana
Tsy nahoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/malagasy-hono | Malagasy, hono, | Heriarilala Andriamamonjy | MALAGASY, HONO
Tsy tiany ianao f’ilainy
dia ny maha Malagasy no ventesiny sy hirainy
Mankamamy kolontsaina e, mandala soatoavina
Ny fomba koa hajaina, ianao mba mody tiavina.
Ny tsikalam-pihavanana no lazainy hoe sarobidy
Ny fifankatiavana no saron-tavany finidy.
Fa hafatry ny Tompo izany ho marika fa mpianany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/alahelo | Alahelo | Rabarison Roberto Stephan | ALAHELO
Alahelo foana no mba hiainany ankehitriny.
Satria lasa ilay olona iray mba tena tiany
Nandao azy ka tsy miheritreritra ny hiverina
Fa handroy aniny lalana iny tsisy nenina
Dia alahelo foana no hiainany isan'andro
Satria lasa ilay olon-tiany izay fitarik''andro
Nanadino ary koa namafa ny fisiany
Ka nanap... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahay-manome | MAHAY MANOME | Fredy Jaofera | MAHAY MANOME
Mahay manome
dia zava-dehibe
ahitam-pitiavana
miaina finiavana.
Mahay manome
dia antoka ange
ho firaisan-kina
no azo itafiana.
Mahay manome
dia haravoana re
mahafinaritra ery
matoa mankafy.
Mahay manome
dia mampandeha
ny fiarahamonina
fa tsy noforonina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/fitiavana-mangina | Fitiavana mangina | Bob Ramanamiravaka | Azafady kely ange r'ise
Fa misy teny kely tiako holazaina
Teny efa tiako holazaina anao elabe
Saingy tsy sahiko nolazaina na tantaraina
Inoako anefa fa efa mety fantatro
Na dia hoe tsy lazaiko anao intsony
F'ilay fitia midoboka ao anatiko ao
No mampitempo azy isan'andro tsy mety mitony
Vahotra ny lelako raha va... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/banga-be | BANGA BE | Fredy Jaofera | BANGA BE
Etsy ange !...
Ny tsapako, lahy,
n'inona n'inona atao :
banga be
ny manodidina ahy
rehefa tsy eo ianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/nofy-album-nofy-sy-tamberina | NOFY | NY Andri-Fara | NOFY
Ry malala , iry mba tazano
Amin'ny endrika tony ,
Kanefa izao no tsarovy ;
Onena ny fo , kivy ny saina !
Tsy fantatra ho aiza ,
Omban'ny làla-mideza
Namakivaky ny ala-matevina .
Indraindray tsy misy izorana
Raha sendra mandroso...,
Indrindra rehefa tsarovana
Akaikin'ny tiana ny namana ,
Nisetra ny rivo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rolly-casimir/mahantra | MAHANTRA | Rolly Casimir | MAHANTRA...
Eny e...
Izaho anie manaiky fa isika tsy niady e!
Izaho koa manaiky fa efa nivoady
Tsy hisaraka aminao na inona mitranga
Saingy, fantatrao mazava ny savika saranga
Nataon'ny havanao
Izaho tsy te handao, saingy....
Tafahoatra fatra ny ngidy efa nateliko
Impiry tantaraiko ary impiry efa naveriko
Ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/omalinny-fisarahana-album-aloka-sy-tamberina | OMALIN'NY FISARAHANA | NY Andri-Fara | OMALIN'NY FISARAHANA
Ry vorona natao tsy hiverina
Azafady raha azonao atao .
Zahatra aroson'ny rano,
Anilan'ilay tsy nekena ;
Fadiranovana tsy misy hidovirana...,
Ilay tia tsy notiavina ;
Miangavy ilay hafatrao
Amin'ilay tiako nandao tsy ho hitako
Tsaroako mavesatra ny ila-lohako ,
Rehefa alahelo tsy eo anila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tadiavo | TADIAVO | Fredy Jaofera | TADIAVO
Ny torohevitra anikeheo
nambara na notenenina,
mahaliana ka araho :
aza mijery izay aseho
fa tadiavo izay afenina
no iangaviako anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandeha-ny-fotoana | MANDEHA NY FOTOANA | Fredy Jaofera | MANDEHA NY FOTOANA
Lasa saina eto foana
mahatsiaro ny taloha
efa ela nandalovana ;
mandeha ny fotoana
fa mijanona ao am-po
izay fahatsiarovana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/andro-farany | ANDRO FARANY | Rabarison Roberto Stephan | Andro Farany
Eto ilay anjara farany eto an-tany
Dia eo ianao no hatsiaro ireo fotoana mamy
Ireo andro niarahana sy ilay fifanaovan-tsoa
Dia eo koa ny fiafaran'ny tantaran'olon-droa
Dia anomboka eo dia hianatra andeha irery
Satria lavo ilay andry niakinana dia manirery
Mahatsiaro ho singan'olona ety ambon'ny tany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voady/tsy-hiova | Tsy hiova | Randja | Tsy hiova fa ho anao mandrakizay
raha ny fitia miredareda tato am-po
aza manahy f'efa anao irery avokoa
raha ny fitiavako rehetra hatrizay
Tsy hiova tokoa moa fa ho anao doria
raha ny amiko, ny fiainako rehetra
tsy hiala intsony aho fa hitoetra
satria efa neniky ny soa, feno fitia
Tsy hiova velively fa ianao ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/efa-tena-sambatra | Efa tena sambatra | Heriarilala Andriamamonjy | Efa tena sambatra !
Tsy maniry intsony vidim-bary hidina
fa efa antonony io
Tsy hitaraina akory hoe migoka 'zany ngidiny
fa izao no tadidio :
sambatra izahay,
hitady inona indray ?
Ny resaka herinaratra efa igalabonana
izahay indray no tsy maharaka ka mamorona lanonana
hanaovam-pandaniana,
ny rano tsy vidina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahay-mangina | MAHAY MANGINA | Fredy Jaofera | MAHAY MANGINA
Mahay mangina
no toetra zohina
'zay azo antoka
raha mifantoka.
Mahay mangina
no eto andriana
hampety ny ora
ho rindra mora.
Mahay mangina
no soa itokiana
hany volamena
tia fahendrena.
Mahay mangina
no asa nofidina
ho lamin-tsaina
tena mba ilaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/afim-pitiavana | Afim-pitiavana | Santatry Ny Omaly | Ilay faniriana efa nokoboniko hatr'izay
Toreo nanonitra, toa zary lasa fery anaty
Alahelo mba midongy hitserana r'ilay!
Miandrandra ilay tsikitsikinao hiatsampy
Ny foko babo, mientanentana raha iny ka ...
Te hitosy, hamihina tsy misy andraso andraso
Ny eritreritro! Aoka re tsy ho diso raha ...
Iny izaho sy ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/tsy-takona-afenina | Tsy takona afenina | Randja | Tsy takona afenina hatrizay
ny afom-pitiavana tato am-poko
mahazo vahana mahamay
mitombo hery tsy miova loko
Tsy takona afenina tokoa
raha ny alahelo anao
manindry ny fanahy sy ny fo
rehefa iny ianao nandao
Tsy takona afenina marina
ny olona iray rehefa tia
mirediredy tsy saro-patarina
fony isika roa niara-d... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsiahy-ho-aniza | TSIAHY HO AN'IZA | NY Andri-Fara | TSIAHY HO AN'IZA
Niezaka aho hanadino
Ireny lasa tsy azo heverina .
Niezaka aho ny tsy ahatsiaro ;
Ny tantarako mitady hitamberina.
Nofoanako ny tsiahiko
Izay mitady hanelingelina .
Kanefa iza! iza no handao ;
An'ity mahantra tsy hiverina .
Fony mbola nianatra aho
Tsy nahazo fahalalana .
Banga indray ny faha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/fangatahana-sy-fitiavana | FANGATAHANA SY FITIAVANA | RAVINALA | Andriamanitra o
Tiako hahatsiaro Anao izy iny sady tiako tsy hisaraka Aminao
Tiako hiaina teny mamy ombam-pahasoavana eo am-panompoana Anao
Tiako hiaina fahasambarana miaraka Aminao
Ary tiako ihany koa ho feno lotra Anao
Tsy ho Anao irery anefa fa mba tiako raha tsy hanadino ahy
N'aiza n'aiza tany ombany dia irar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ho-adinoiko-album-aloka-sy-tsiky | HO ADINOIKO | NY Andri-Fara | HO ADINOIKO
Tsy ho ranomaso intsony
No anjohy eny an-dàlako .
Ary izy aoka tsy ho halako ;
Voa aho ankehitriny ,
Nilaozan'olon-tiako !
Ka manadino ny fahiny .
Ho adinoiko tanteraka ny amin'iny
Tsy ho tsaroko akory
Ireny andronay fahiny ;
Nijaly aho...Nitsetra !
Ny andro ratsiko rehetra
Ka hionona aho f'izao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/fitia-ampitain-davitra | Fitia ampitain-davitra | Heriarilala Andriamamonjy | FITIA AMPITAIN-DAVITRA
Nandefa sary ianao, drinaiko soa aman-tsara.
Fihiniko eto an-tratra, dia banjiniko tsy ankiala.
Iriko ho toy izany ianao maharay ny avy atỳ.
Inoako fa mitsiky sy falifaly ery.
Dia sary ifampitana no endri-pihaonantsika:
ao no mifampibanjina, ao no mifankahita
ao no mifandray, ao koa no mif... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/talata-zina | Talata zina | Heriarilala Andriamamonjy | TALATA ZINA
Talata, ny antsika tsy gorobaka fa zina fifaliana
Ny foko nihotakotaka fa niandry anao ilay tiana
Ianao navitribitrika hitsena ity malala
Izaho nandinidinika fa nila tsy hahalala
Fa olona iza loatra ity tamy dia mamihina
Gaga aho nitsamboatra satria nosakambinina
Ampahan-tsengondra ihany dia haiko fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/gasy-iray | Gasy iray | Randja | Gasy iray no tsy manavaka foko
zana-tany tsy mba mitsitokotoko
mitandro ny fihavanana hatrany
firaisankina no tanjona amin'izany
Gasy iray no meva sy tsara
izy ihany no mahakarakara
ny hoavin'ny taranaka afara-mandimby
manome azy fahalalana tsy voavidy
Gasy iray no soa tarigetra
hampitsahatra ny ady sy ny heri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/soroniko-ny-afo | Soroniko ny afo | Heriarilala Andriamamonjy | SORONIKO NY AFO
Ra namonto tany no nandriaka teto.
Hiaka sesilany, nahavelon-tsento.
Fa maty novonoina ireo nitolona ho ahy ;
resy nobaboina, mandrotika fanahy.
Teo no tsy nandaitra ny “rano, rano, rano! ”
ka onena sy ongaina ny vahoaka malagasy.
Ny mpiady savolaina, indreo nangasihasy.
Fa soroniko ny afo, tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/dadanay-izany | Dadanay izany | Heriarilala Andriamamonjy | DADANAY IZANY
Tsy nitandro hasasarana
raha nikatsaka ny mamy.
Dadanay izany !
Tsy maintsy lohalaharana
ny hanasoa anay hatrany.
Dadanay izany !
Tsy mahalala reraka
na fety na alahady,
tsy maintsy hoe mitady.
Tsy mba mipetrapetraka
na tia mandrimandry.
Ny hakamoana fady !
Arahaba ianao ry Dada
Jesosy anie ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/nda%C3%B1y-hifankatia | Ndañy hifankatia | Heriarilala Andriamamonjy | NDAŇY HIFANKATIA
Nosy iraika hiany ro natao hitôratsika
Koa aza mifagnisokisoka mamboly disadisa
Ny ra mikorieña taoko mena aby sady
Naky tsa mitovy ny fiaviena dia aza miadiady.
Malagasy iraika e ! Ndañy hifankatia
Ny fifañajana ro aoka hatao finia
Aza avela hizera ny soatoavina iombonana
Ny lalam-pihavanana r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsy-hay-afenina-album-sangodina-rapha%C3%ABl-spartacus | TSY HAY AFENINA ( Album Sangodina ) Raphaël Spartacus | NY Andri-Fara | TSY HAY AFENINA
Tompo o! Fantatrao ny ato am-poko
Ny hetahetam-pahafahako .
Ny Hijoro sy hamikitra ;
Amin'ny hevitra najoroko .
Fantatrao ilay olon-tiako
Ilay notiaviko eto an-tany .
Ianao hitantana ny diany ;
Mba tsy hivarina ao an-kady !
Ianao no hiaro ny fanahiny
Hitsimbina ny fahadiovany ;
Tsy hahafahany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tiako-ilay-fijery | TIAKO ILAY FIJERY | Fredy Jaofera | TIAKO ILAY FIJERY
Tiako ilay fijery
fa nanaitra ahy izany
ka nivatsy hery
nahavariana sesilany.
Tiako ilay fijery
fa mampidoboka ny fo
ka mba namery
ireo ahiahy izay nanjo.
Tiako ilay fijery
fa misy toky makadiry
tsy mamoy irery
ny tena raha vao mikiry.
Tiako ilay fijery
fa misy fahamatorana
mbola tsy mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/mamy | MAMY | DADAFARAtolotra | Any aminao no misy fahasambarana ezahiko tangosana
Mbola any koa misy hafanana izay ho lamba firakofana
Ka raha mba sitrakao,aza hiandrasan'ela intsony
Fa raiso ny fitivako,hidio anatinao ary avy dia tazomy
Fa tiany loatra ianao!
Any aminao no toerana fonenana hamaranana safidy
Ahafana mizioga karazan'onja an-tan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/neny | Neny | Heriarilala Andriamamonjy | NENY
Vehivavy lafatra mikatsaka ny hahasoa,
matetika no sasatra sy valaka tokoa,
kanefa tsy mihevitra ny hamelona taraina,
vehivavy mendrika tsy tia miferinaina !
Vehivavy miasa tsy mba misandry valaka,
maniry sy mikasa ny hahatafita zanaka
dia miteny sy manoro ny lalana mahitsy
tena sahy mijoro, raha mibedy ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/ankamantatry-ny-ampitso | Ankamantatry ny ampitso | Heriarilala Andriamamonjy | Ankamantatry ny ampitso
Ny ampitso, mikobona inona ho ahy ?
Asa...manomana inona izy lahy ?
Miezaka ihany ny tena handresy
kanefa manembana foana ny fetsy !
Rahampitso, hanody soa ve ny tsara fahiny ?
Toa mbola tsy fantatra izany ankehitriny
sa ny ota taloha no hitambesatra indray
efa mieza-manarina aho mantsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ampindramo | AMPINDRAMO | AORN | Ampindramo kirin-doha
Ho entiko hiatrik’ady
Manoloana ny tsy rariny
Sy ny jadona ampiharina
Amy Malagasy maro
Sasa-miaro zato taniny
Sy ny Harena mifangaro
Ampindramo herin-tsaina
Ho entiko mijoro hatrany
Tsy ho resim-pahavalo
Fa manjaka sesilany
Ny bontolo miampy basy
Hanerena teratany
Miaraka amy taratas... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/anareo-ny-fahefana | Anareo ny fahefana | Heriarilala Andriamamonjy | ANAREO NY FAHEFANA
Anareo ny fahefana fa ny anay ety fitazonana aina sisa
Anareo ny fangejana fa izahay ety tsy mahalala paradisa
Handaminan-tsaina anefa dia atao hoe tsy izao no afobe mahamay
Izahay tsy afaka hilefa fa atao hoe afo fandiovana no misedra anay.
Mba te hitsangantsagana sy hijery fety fa ny sarany am... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/sanganehana | Sanganehana | Heriarilala Andriamamonjy | Sanganehana
Hiady fitiavana ?
Inona no antoka fa tsy maintsy ho mpandresy ?
Tsy matahotra fandavana ?
Sao mamita-tena ka mihevitra ny ho fetsy ?
Endrika sa bika ?
Ikalahafa...
Hendry sa maditra ?
Hiala tsy hifaninana ?
Hanome mora foana ny tiana hisambarany
Moa fanambinana
ny mitebiteby foana sao hikambana n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/voatahy-sy-hotahina | Voatahy sy hotahina | Heriarilala Andriamamonjy | Voatahy sy hotahina
(Atolotro ho an'i Imbitika Rambala)
Ianao zavaboahary navahany manokana,
tiany ho lavorary ka nataony tsara ofana,
tao ireo sedra maro mety ho nisy fihafiana
anio ianao mahatsiaro hoe mioty fifaliana.
Nomeny fanambinana hahita zana-jafy,
ataony miramirana fa naniry ny nafafy,
olona voatahy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rolly-casimir/valin-kafatra-ho-ani-rado | VALIN-KAFATRA HO AN'I Rado | Rolly Casimir | VALIN-KAFATRA
(Ho setrin'ilay "Hafatra" nosoratan-dRado)
Eny ry sakaiza a!
Sarotra dia sarotra ny zava-nisy tany
Olona marary sy hatsatra aok'izany
Ary tsy afaka mitsangana eo ambonin'ny fandriana
Dia endrika manjombona mitory fahoriana....
Izay no novantaniko
Dia tsipalotry ny masoko
Ilay raozy mavokely nandr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/ampitomboy-ny-finoako | Ampitomboy ny finoako | Heriarilala Andriamamonjy | Ampitomboy ny finoako
(Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay. — Lioka 17 : 5)
Finoana no omeo
hoentiko hanantena
fa hisy fandresena
na inona miseho !
Hery no atolory
hahafahako miady
ka ny vatako ho tomady
fa tsy ho farofy akory !
Ianao nahadio ny boka,
nahafoana ra mitsika
sy ny parali... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rolly-casimir/iny-reniko-iny | INY RENIKO INY... | Rolly Casimir | INY RENIKO INY....
Andriamanitra ô!
Tsy hoe midongy akory aho fa mba mihantahanta kely
Tsimbinonao manokana ny fiainanay sy i Neny
Vokiso fitahiana amin'izay rehetra atao
Mba hiangaro mihitsy raha toa ka sitrakao
Fa....mitady ho kivikivy
Iny reniko iny!
Tsy misy an'iza hitsetra raha sendra rera-tsaina
Marary i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rolly-casimir/tsy-nanadino-izany-izy | TSY NANADINO IZANY IZY.... | Rolly Casimir | TSY NANADINO IZANY IZY
Tsy mbola niova izany izy
Mbola ilay malala notiavinao taloha
Mbola ilay fahiny niangavy an-tanan-droa
Sy niezaka nifona raha nisy fahadisoany
Mbola ilay malala nanindry ny ambom-pony
Na inona tsy zakany
Mbola ilay tantarany
Nikaroka ny lafatra amin'ny resaka fitia
Mbola ilay taloha, nan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rolly-casimir/iny-fasana-iny | INY FASANA INY... | Rolly Casimir | Aina firifiry no efa norombahiny
Mpifankatia firy no efa nosarahiny
Raha mbola tao anatin'ny volana tanteliny
Nofo firifiry no raraka nateliny
tanatin'ny hirifiry
Dia...oviana sa impiry
No nanam-pangorahana iny fasana iny?
Zaza rano firy na hoe tsy manan-tsiny
No voaantso tany am-bohoka hisedra rangolahy?
Olon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rolly-casimir/afo-sy-vanja | AFO SY VANJA... | Rolly Casimir | AFO SY VANJA....
Asa raha fantatrao fa...
Tamin'ireo minitra nibanjinanao ny masoko
Dia nisy pitik'afo nirehitra tsy tantiko
Nandoro ahy mangingina tanaty foko tany
Nandravarava ny amiko ilay topi-maso mamy
Nantefanao "tsy miala"
Ny fo koa moa adala ka...
Bitika toy izany dia mety haharendrika azy
Diso ve aho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/irarahanny-hanitrao | Irarahan'ny hanitrao | Heriarilala Andriamamonjy | Irarahan'ny hanitrao
Irarahan'ny hanitrao ny foko manambolo dia sitrana, salama
Mirindrarindra tsara ny fitepo manontolo, anilanao tamana
Toa fo miserana ihany no mamerovero aty
Fa angamba any ho any izay ho tompon'ny fitia
Salovaninao ny tokotanin'ny fitia babangoana angoty
Miherika aminao maheno feon-dia ka te ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rolly-casimir/minitra-vitsy-farany | MINITRA VITSY FARANY | Rolly Casimir | MINITRA VITSY FARANY......
Tsia!
Tsy hiangavy anao hiverina no tena fikasako
Tsy hiangavy anao hamafa ireo vaingan-dranomaso
Natobaky ny feriko tam-poko mangatsiaka
Tsy hiagavy anao handrafitra ireo bokin-dasantsika
Efa potika sy rava
Fa fotsiny hilaza
Teny indraim-bava ho fanaovana veloma
Dia hamafa ilay fiti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/fo-nihanjahanja | FO NIHANJAHANJA | Heriarilala Andriamamonjy | FO NIHANJAHANJA
Teto... nisy fo nihanjahanja,
tsy nahay nihambahamba,
tsy mba niolakolaka
nilaza sy namboraka
ny atiny fanafina,
tsy nisy kely takona.
Nisy fo nipararetra
nanome ny aminy rehetra
hisambaranao...
Nefa akory hatao
fa ianao tsy nety hiraika
na dia nisy fihetsika nihaika.
Eto... misy fo efa nio... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/vainvain-drahalahy | VAIN-DRAHALAHY | Heriarilala Andriamamonjy | VAIN-DRAHALAHY
Hoy ny fanjanahan-tsaina :
"hianatra dia karamaina ?
Mipetraha raha tsy mazoto
fa aza miloham-boto !"
Saina mody adala
ka minia tsy mahalala
ny ngidy iaretanao.
Misolelaka no atao !
Ny vain-kafa tsy maharary
Ianao raha hoe mijaly
Tsy havan-dray sy reniny
Fa iza ianao no hoheveriny ?
Kanefa v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/manara | MANARA | Heriarilala Andriamamonjy | MANARA
Mangina ka mangina ilay olon-tiavinao
Lavitra olon-tiana fa tsy eo anilanao
Ny alina manara tsy misy anao manotrona
Mahatsiaro mamanala ka miforitra mivonkina
Fa tahaka izao isika mifamihina maharitra
Tsy hitan'ny hatsiaka fa anilanao finaritra
Ny safonao mafana mitondra nofy mamy
Rariny aho tamana ka mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rolly-casimir/taratasin-janakareo | TARATASIN-JANAKAREO | Rolly Casimir | TARATASIN-JANAKAREO
Any i Dada sy i Neny,
Manoratra ho anareo amin'ny
Rantsana mangovitra ilay sombiniainareo
Elaela kely aho tsy nandrenesam-peo
Fa rotoroto be ny fianaranay taty
Torovana ny saina, ny vatana mahia,
Ny volo mihintsan-dava
Salama ve i Dada?
Efa mba tsara ve ilay i Neny tsy salama?
Mbola any ve... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/mampivoatra-ho-ratsy | Mampivoatra ho ratsy | Heriarilala Andriamamonjy | MAMPIVOATRA HO RATSY
Mampivoatra ho ratsy ny fiainana etoana
Ireo fandoto mantsy mahomby eny foana
Ny mpanao ny marina mijaly sy miempo
Tsy mety ho tafarina fa resy ihany hatreto
Isan'andro, isan'ora dia takona ny rariny
Ambakain'ny fatsora, matetika avariny
Dia alaim-panahy mba hanova toetra
Fa azon'ny ratsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rolly-casimir/ratra | RATRA... | Rolly Casimir | RATRA.....
Tsy diso akory ianao fa...
Nitsiky mihitsy izy ilay hitanao androany
Fihetsika namboarina iny fa ny anatiny any
Misy fery lalina sy jaly tsy voafafa
Ny efitranon-tsainy.....feno ratraratra
Sy sento mankadiry
Nambomba hirifiry
Ilay habaky ny tsiky nomeny taminkeo
Fa iny vatany iny efa tofoka sy leon'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/sahobakaka-ambodiriana | Sahobakaka ambodiriana | Heriarilala Andriamamonjy | Sahobakaka ambodiriana
Sanatria ve nofy ilay foko nankafizina,
ilay nentinao nitosy ary koa nampandihizina ?
Nobitsihinao fitiavana ny sofiko efa liana
tsy nihevitra fandavana fa nanaiky ho tiana.
Sanatria ve nofy ilay anarako nohiraina ?
Jenitra nioty ny fitiava-nolalaina,
fatra-panantena fo tsy mahay mamitaka,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/finidy-nyandry/tefeo | TEFEO | Finidy NyAndry | Aoka aho tsy ahalala ankoatran'ny manaiky
Na inona toa inona voasoritrao ho anjarako;
Aza avela akory haminany izay tsy haiko (aho) fa
Tefeo ahay hitony amin'ny kely am-pelatanako.
Mba ho sitrako avokoa izay tinendrinao rehetra,
Fa miara-miasa ireny, ahatonga ahy ho olombanona.
Ka...
Ampahalalao ny misy fa...
T... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/izaho-seraninao | Izaho seraninao | Heriarilala Andriamamonjy | Izaho seraninao
Vao tazako mandindona ny alokao sakaiza
dia miontana ny anatiko.
Mangalatra aho mijery hoe hanatona sa ho aiza
ny miandry toa tsy tantiko.
Ny tsangananao mijidina eo anoloana
toa mambabo ery.
Ny feonao tonitony, mamelon-karavoana
Ireto sofi-mankafy.
Dia tsy misy ifantohako ny resakao rehetra
f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/finidy-nyandry/hoani-neny | Hoan'i Neny | Finidy NyAndry | Raha sendra mba miantso aho,
Meteza re hamaly e!
Tsy mbola lavorary aho fa
Mikiry ka mikiry;
Somary votsavava tsy mahateny firy fa...
Hiangavy fotsiny ihany hoe: hasoavy i Neny.
Fa fantatrao ry tompo izay efa nobabeny ah!.
Tsy miafina aminao fa irery izy iny teto;
Tsy nanankantenaina
Hanohana ara-tsaina fa
ol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/ry-fasana | Ry fasana | Heriarilala Andriamamonjy | RY FASANA
Nangalarinao ny havako tiako sy ny namako tsy foiko
Nentinao ankeriny, tsy nierana akory, nalaina an-tsokosoko
Kanefa mbola maminy sy sarobidy taminy ny fihavananay
Ary rah any sitrapony dia ora toy izao, miaraka eto izahay !
Dia tapitra ny nofy sy vinavina rehetra niarahanay nikasa
Ny fianakaviana no m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/fo-maditra | Fo maditra | tsiolaka | Baliaka aoka izany Ilay diavolan-takariva
Dia lasalasa teo Ilay saiko nahatsiaro
fa misy endrikendrikao Ilay mamiko iny indrindra
misoritra amin'ny endriny ka revo aho nikalo
Nihira Ilay fitiavana miredareda fatratra
tsara taniky ny masonao toa habakaba manga
Fitiava-maninteraky ny tsikinao miraratra
Soritr' end... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/vinany | Vinany | tsiolaka | Mandinika Ilay sarinao maranidranitra endrika
Angola fanaperana voasalo-boninahitra
Ravaka diamondra toy ny kinta-maharendrika
Injao miantsiantsy fo hitombina am-panahy
Eh.. .! fa kanto Sady lafatra Ilay tsangananao marirana
Angamba ianao mihitsy ilay atao hoe zana-javatra
Ny ao anatiko ao dia tsoriko f'injao sah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/tatamo | Tatamo | tsiolaka | Tatamo anie aho ka tatamo,
Tatamo amparihin-dRasahala
Sahy midola eny anivon-drano
Toa angetsan'ny toka-malala.
Fa haingon'ny rano maria
Fitosian'ny vorona Anosy
Finaretan'ny mpifankatia
Fiangotian'ny rivo-mpitosy
Mpanainga fanahy hiampita
Hilaza fitia tonga fatra
Tononkiran'ilay Solemita,
Sasin-kira fanaon'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/sasanangy-samihafa | SASANANGY SAMIHAFA | Heriarilala Andriamamonjy | SASANANGY SAMIHAFA
Nisy lapa notafihina ka tso-drano no nalefa
Tsy teo raha notsirihina ny mpitarika ady anefa
Nandositra mialoha nanao takatsika ny kely
Ny sorona tokoa ilana anao manao vy very
Dia nisy olona nilamina nandia ny lalam-be
Raha tianao hofantarina, tsy mpandroba ireo ange
Ny mpitarika naratra, fa n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/mba-todiho | Mba todiho | tsiolaka | Efa niezaka ihany aho ny nangalatra fijery
Niandry topimasonao anandrify koa ny ahy
Saingy toa tsy tsapanao ity fo rako-pery
Maniry mafy ho tiavina , tototry ny adim-panahy
Toa tsy tsapanao akory Ilay fipitrako miandry
Na aza sombintsombin'ny fitia avy aminao
te hiampify,te hisambatra ,sy ho voky tambitamby
Sai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/fiainako-izany | FIAINAKO IZANY | Nic Coper Ofisialy | Fiangaviana ny ahy, ny fiainako aza idirana
Satria ,Tsy mba nanosy anao aho, na nijaly na sahirana
Ka isanandro izao, ny fiainako, no ataonao foto-dresaka
Fa tano ho anao ny hevitrao, dia misaotra betsaka.
Mba avelao aho hiaina , fa aza korotanina
Fa tsy hisanandro izao manenjika, dia avy eo vao mody fanina,
Enok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/mandram-pihaona | MANDRAM-PIHAONA | Njakahery ANDRIAMALALA | MANDRAM-PIHAONA
Kopatanana malefaka no hany sisa tazako,
Ankona ny fo, sadaikatra ny vavako,
Moa atao ahoana ny hamoana izay nisy
Lalina ny sento, ny fo mitady ho kivy
Irony mamy izay niarahana, nahoana loatra re ?
Rehefa iny mba nantsoina toa lasa tsy nandrè,
Mantsy ianao ihany indrisy izao no lasa fery,
Fa na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnalpha/mbola-hafa-kely | MBOLA HAFA KELY | RN.alpha | MBOLA HAFA KELY
Mbola hafa kely foana ho'aho 'lay raozy maintsoko iny.
Mbola tena miavaka amin'ny eny an-jaridaina,
Manoatra noho ny hafa mantsy raha ny fiafiany
Saingy mbola ravoravo foana, fady malaindaina.
Ilay reharehako iny? Tena mbola hafa kely
Tsy malazo am-pahavaratra, tsy mihitsana ririnina,
Ilay akanto... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnalpha/takona | TAKONA | RN.alpha | TAKONA
Moa tsy ianao ihany va ilay fatram-pifidianana
Manavaka saranga sy mifidifidy namana?
Mizaha tavan'olona ho tiavina sy ekena
Ka raha vao mahita vola dia atolotra ny tena.
Mpanavakavan-doko sy mifidy fiodirana
Ary koa mpanilikilika ireo havana sahirana.
Saingy... teny ianao nitia, tany ianao voadona
Fa vo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fiadanako | FIADANAKO | Fredy Jaofera | FIADANAKO
Ray ô ! Asandratro mangina
ho any ombieny ny fiderana
raha itsanganako :
amin'ny androm-panahiana,
amin'ny androm-pisedrana,
Ianao no Fiadanako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/laso | LASO | Heriarilala Andriamamonjy | LASO
No tia azy ny foko naky nitsingilahila
No tieny rahateo ka vonto taralila
Kanefa iaraha-mahilala fa drinara tsy hatao
Ka eto ro amotsorako, laso izy ho anao
Tazantazako hiany añareo mifañakaiky
Ny taiña nihahadiñony f'efa ate ro nanaraiky
Tsa hasiena alahelo na horohizan-dromoromo
Laso re fony, koloy fa az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amjra-praise/hafatra | HAFATRA | Amjra Praise | HAFATRA
Manoratra hoanao anio ilay zandry tena tiana
Sakaiza notinefinao ahay andanjalanja
'lay notinaizanao ahay hifaly am-pahoriana,
Ilay nozarinao hamiratr' eny ambony kianja.
Ilay nahitsinao raha sendra ka nibilabila
Nareninao tsy hianjera, notohananao tsy ho lavo,
Ianao ilay mahay fa tsy mba namilafila
Tsy... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.