url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/eny-sy-ety | Eny sy ety. | Herilanja RANDRIAMANGA | Ilay masonao nitopy iray segondra monja
Dia teny am-balopy, misitery iray mafonja
Fijery iray tsikaritro izay miantso sy mitory
Fihetsika tsikaritro tsy mba niteny akory
Matetika mitranga ilay ianao mangata-maso
Manilika ireo sanga sy manakipikipy maso
Fantatro fa tia raha ireo fihetsikao
Miantso hoe avia mba hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/ianao-ilay | Ianao ilay ... | Herilanja RANDRIAMANGA | Ianao ilay hafa loko, ilay hazavana nahajamba
Ilay nampidoboka ny foko ka nitia tsy nihambahamba
Ianao ilay sentosentoko, ilay sarisary ato an-tsaina
Ilay anarana fiantsoko iIlay nofinofy nokasaina
Ianao ilay satriko ho eto foana, raha vao mihiratra ny maso
Ilay hananako fotoana ka ilay tsy asiako andrasoandraso
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/ventsonolon-tia | Ventson'olon-tia | Herilanja RANDRIAMANGA | Any izy izao? mba mihaino ahy ve?
Sa mody fanina trotr’izao, fa mety mba mandre?
Angamba mora loatra, zato kalokaloko
Ka tsy tafiakatra ny vohitra, fa tsy nanakoako
Dia fa maninona ary, no dia tsy mamaly
Sa efa nahita sary, ka nanadino ‘lay omaly
Tsia, tsy mino ‘zany aho, a fitia tsy kilalao
Dia eto aho no miand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/raha-nisy | Raha nisy | Herilanja RANDRIAMANGA | Raha nisy ny fitia izay novolenao tao,
Lazainao fa nitsiry nefa nilaozanao tany
Dia tsy mampaninona fa ongoty tsy ho ao,
Avelao fotsiny aho, dia hoento ny anao hoany.
Raha nisy teny mamy noventsoina ihany koa
Noentina hambabona ka hitia tsy hanontany,
Dia ataovy toy tsy nisy fa efa niova fo
Boky novakina mitovy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/malalako-any-lavitra-any | Malalako any lavitra any | Herilanja RANDRIAMANGA | Hoy ianao hoe Tiany hono aho…
Nefa izaho mbola mahatsiaro irery.
Tiana ve dia hiaina ohatr’izao,
Malahelo lava sady manirery.
Dia miasa saina ianao indrisy noho izany,
Nefa tsy mahita izay tokony hatao,
Fa tsarovy foana anefa na dia misy aza izany,
Izaho anie aty ka mbola tia anao.
Tsy ny elan’elan-tany no afak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/tahakizay | Tahak'izay | Herilanja RANDRIAMANGA | Tahak'izay aho tsy nijery,
Tsy nibanjina ny masonao,
F'izao aho mantsy dia voatery
Hanadino tsotra izao…
Tahak'izay aho tsy namaly,
Rehefa enao miantso ahy,
Fa dia tsapako mampijaly
Rehefa injay aho mahatsiahy…
Tahak'izay aho tsy nitia,
Fony ianao ilay nanadala,
F'izao ity foko kely ity,
Dia voatery hankahal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/ilay-tany-hoany | Ilay tany hoany | Herilanja RANDRIAMANGA | Dia hofaranako ny dia, fa ianao ry Malalako,
Niantsoantso hoe cherie no namihina ny tanako,
Hafaliana sy hasambarana, fa ilay tiako no eto indray,
Ka na ilay diako saika hifarana no vao hanomboka indray;
Dia iny aho fa namihina nanoroka sy nitantana,
Ka hizotra an-kasahina amin’ny tena fisandratana.
Ny lalan-tsik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/raha-te-handeha | Raha te-handeha | Herilanja RANDRIAMANGA | Raha te-handeha hono ianao
Mandehana tsy maninona
Dia ‘reo voady ‘zay natao
No ataovy tsinontsinona
Izy hono aleo mangina
Hanjokaiky tsy hiteny
Higoka irery ny fahoriana
Ka hanadino ‘lay reveny
Dia raha handeha hono ianao
Dia soavadia hoy izy
Fa izy hono tsy hilalao
Lay fitia sarobidy
Dia aza mandalo any in... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/ry-vadiko | Ry vadiko. | Herilanja RANDRIAMANGA | Ry vadiko,
Atao ahoana aky ity fiainantsika roa,
Fa zary mankahia sy mahavaky loha ?
Mahalasa saina ahy foana hoe atao ahoana ary,
Fa zary mankanoana no mbola mankarary ?
Ry vadiko,
Atao ahoana ka mba hampetipety azy,
Fa voninkazo iray no mba anaty vazy?
Tsisy ny harotsaka ary tsy misy ny hataina,
Lany izay na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/alina-mangina | Alina mangina | Herilanja RANDRIAMANGA | Alina mangina manainga ny vinany
Tonga mahasina ny eto ambonin’ny tany
Tain-kitana mandalo ny volana balika
Ireo namana mpikalo toa tsy misy hita
Ny feon’ny angely, ny rano mikoriana
Sy rivotra mihely no mahavariana
Fotoana iray mihavaka, mahalasa any ho any
Mampanofy an’abaka nefa eto an-tany
Mampiheritreritra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/nenina | Nenina | Herilanja RANDRIAMANGA | Folo taona sahady izay
Ilay fotoana nisarahanay
Voninandro toy izao
Iay ianao lasa nandao
Lasa mantsy ianao fa tsy tamana
Izaho rahateo moa tsy nitana
Fa mbola zazasaina
Mbola bandy tsy nisaina
Fa noentin'ity foko feno hatezerana
Sady izay koa moa izaho nahita iray niserana,
Dia ny hanadino ihany
Fa izaho ng... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/aleoko-foana-ihany | Aleoko foana ihany | Herilanja RANDRIAMANGA | Aleoko foana ihany tsy miteny aloha
Hiafiko foana ihany izay mitranga eo
Fa raha ny ataony any dia mahavaky fo
Zary mahakivy sady mankaleo
Aleoko foana ihany hiafina eto
Fa efa izy ihany no anjara ho ahy,
Na fahoriana aza no niainako hatreto
Mino foana aho fa tsy ho mandrakizay
Aleoko foana ihany mionona mangin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/lavitry-ny-tiana | Lavitry ny tiana | Herilanja RANDRIAMANGA | Toa matromatroka no tsy aki-teniteny
Ary hanala satroka sy hitazana eny ho eny
Toa maizina ny tontolo raha ianao no tsy eto
Ary alaiko an-tsokosoko ilay sarinao r’efa misento
Fa toa sentosento lava fa manjombona ao anaty
Toa ranomaso lava toy ny orana mifafy
Zary manirery nefa roa no iray
Ka mahatsiaro very sy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/iza-marina | Iza marina... | Herilanja RANDRIAMANGA | miezaka aho mamantatra, anoloan’ity fitaratra,
Fa iza marina hoy aho.
io olona mijery mandinika irery
izay ao an dohany ao.
iza no mba tiany, izay rehetra faniriany
misy anarana ve any
izay tiany holalaina sy ny hira tiany hiraina,
mba misy ve izany
taiza no niaviany, ahoana ny fisiany,
mba azo tantaraina,
S... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/aleo-hifarana | Aleo hifarana | Herilanja RANDRIAMANGA | Aleo hifarana ho foana ary havalony any re ny lasa
Hoadinoina koa ‘rony taona sy ireo nofy tsy kinasa
Aleo hifarana tsy hisy, tsy hisy intsony kilalao
Ny fotoana koa indrisy fa hofoany dien’izao
Aleo hifarana raha izany ary haleoko mionona mangina
Raha toa hifankahita ihany nefa hizaka fijaliana
Aleo hifarana hia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/ventsom-poko-tia | Ventsom-poko tia | Herilanja RANDRIAMANGA | Embona sisa…
No ahafahako mampita….
Izany ventsom-poko tia…
F’ilay endrikao tsy hita,
Izay nampitsiriritra,
No tena mankahia
Izaho tsy te hangina…
Fa tena te-hamihina…
Hamihina anao…
Mba valio re ry Tiana…
Izany fanirina…
Miangavy mitalaho… |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/iza-ianao | Iza ianao... | Herilanja RANDRIAMANGA | Iza ianao ry ‘lay mazava
Zay miposaka atsinanana
Ka manjelatra tsy tantiko?
Iza ianao ry ‘lay mafana
Te-hanova ny fisainana
Ka manaitra ny ao anatiko?
Iza ianao ry rahoviana
No hahalalako ny tena marina
Ka hanavaozako ny fiainana?
Iza ianao ry any aoriana
Zay tiako hofantarina
Nefa tsy azoko hihoarana?
Iza ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/ry-lala | Ry lala | Herilanja RANDRIAMANGA | Ry lala, any ambadimbadika any misy voankazo iray
Sady manitra no mamy, no mahafinaritra ahy
Izy loko hafakely izay nanintona ny maso
Toa somary mavokely sady lavitry ny ankaso
Izy tsiro vaovao zary tsy afaka ato am-bava
Lasa tiako mihoatra anao nefa tsy haiko manazava
Izy rivotra madio mamelombelona ny aina
Zay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/adalanny-fitia | Adalan'ny Fitia | Herilanja RANDRIAMANGA | Teny izay nomeko ilay hoe tena tia,
Teny notefen'ito fo adalan'ny fitia,
Tsy lainga velively ka hoentina hambambona,
Fa teny avy any am- po nivoaka moramora...
Tsy hatao tsianjery ka hadika an-taratasy,
Tsy sarisarin- teny na sanatria hoe valamaty,
Fa fihetseham-po raha sendra masonao,
Feo niantsoantso avy ao an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/sentosento-harivariva | Sentosento harivariva… | Herilanja RANDRIAMANGA | Indro anio hariva no nahalalako zany atao hoe te-hitomany
Anio ihany ko no nahatsapako izany atao hoe tsy tiana
Fa mafy anie ka mafy fa raha mba tsapanao hoe hatraiza mantsy izany...
Eny e, Tiana moa ianao ka mahasahy mandaha izany faniriana...
Anio aho no hangina, hanomboka hikalo, ilay nilaozan'olon-tiana...
Han... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/anio-ny-mariaziko | Anio ny Mariaziko | Herilanja RANDRIAMANGA | Anio ny mariaziko, ilay andro sarobidy
Ilay fotoana hodiaviko izay hanehoako ilay safidy
Anio aho hanao veloma ireo sipa sipa fahizay
Ireo revirevy sy hakamona ary ireo adalana sy kakay
Anio ireo mpitazana dia hotolagaga sy hotalanjona
ireo bandy rehetra hihidy vazana ary ireo sipa sipa hianjonanjona
Anio ireo ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/any-misy-boky | Any misy boky... | TSY RENDRIKA Spica | Any misy boky nosoratana ho anao
Tsy fantatrao fisiana satria ianao mihevitra
Fa tsy misy olombelona mahalala ny iainanao…
Afaka hanoratra ny tantarakelinao
Tsy tianao hozaraina
Sao manavesatra olona |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tiako-dia-tiako | TIAKO DIA TIAKO | Fredy Jaofera | TIAKO DIA TIAKO
Tiako dia tiako
fa zavatra iriko
izao hatsarana
tsy hay rarana.
Tiako dia tiako
ka ny hafaliako,
mientana mafy
sy tsy mihafy.
Tiako dia tiako
ka ny iangaviako
dia koloy ihany
ho soa hatrany.
Tiako dia tiako
ka raha ampiako,
harenako velona
miselontselona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/nofy-ve | Nofy ve | Herilanja RANDRIAMANGA | Nofy ve hoy aho sa zava-misy marina...?
Sa zava- misy mbola hisy ka tokony hofantarina..?
Ilay alokao niserana nandravaka ny alina..
Tao anaty nofy mamy, fahitana tena lalina
Satriko tsy hifoha fa hiaina tany ihany,
Fa henin- kasambarana aho ary tsy nisy toy izany.
Ianao ilay nibanjina sy nanoroka avy hatrany,
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/voa-antenaina | VOA ANTENAINA | Fredy Jaofera | VOA ANTENAINA
Voa antenaina
ka arahabaina
fa voajanahary
efa miharihary.
Voa antenaina
efa mampiaina
dihy sy hirahira
tsy mamiravira.
Voa antenaina
hany noderaina
fa meva etoana,
sarotra inoana.
Voa antenaina
efa mba lalaina
hmpiova ny eto
feno, hoe, rafeto. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/iny-izy-iny | Iny izy iny | Herilanja RANDRIAMANGA | Iny izy iny, iny ilay notiaviko mangina,
Ilay nanaitra izato foko zary feno fanirina,
Ilay tara-pahazavana avy atsinanana iny,
Ilay niantefa tany am-poko, fo tsy nanantsiny.
Ny masoko mibanjina, mandinika azy eo,
Dia indro fa talanjona, mankafy izay fietsik’eo.
Ny bikany, ny hatsarany, ny famindrany toy izany,
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mipaozy | MIPAOZY | Fredy Jaofera | MIPAOZY
Mipaozy
fa raozy
tsiriritina
ka rangitina
ny fotoana
hitaona
ilay fitia
hiara-dia
ny fontsika
mikiaka
haravoana
hirosoana,
hananganana
ny fiadanana
mahafinaritra
sy tsy aritra,
hoy aho anio,
ka tadidio ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fotoana-ela | FOTOANA ELA | Fredy Jaofera | FOTOANA ELA
Na inona tavela
na tao ny tsy nampino
ireny namelively ahy,
mila fotoana ela
vao afaka manadino
ny saina amam-panahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anio | ANIO | Fredy Jaofera | ANIO
Anio dia efa rava
ny tantarantsika,
tsy manavatsava
fa nentin'ny riaka.
Anio dia efa very
ny toky nahaliana
tongavan'ireo fery
nahabe fanahiana.
Anio dia efa maty
ny voady naharavo
sarobidy tato anaty
kanefa re nandavo.
Anio dia efa lasa
ny nofinofy nanjohy
nanala ny kasakasa
mbola nisy tsy foy ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/teto | Teto … | Herilanja RANDRIAMANGA | Teto no nitsiry ilay fitia izay nankadiry... efa ela izay.
Ilay fitia izay nifamaly, ilay fitia toy ny vao omaly... ilay fo tafaray,
Toa nifaningotr'aina zary sombinaina... ary silaka fanahy..
Ka nitia tsy mba nihaotra sady tsy natahotra... tsy mba niahiahy.
Teto izahay no nikalokalo indray... ilay hodoria,
Nivent... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/manavatsava-lalina | Manavatsava lalina | Herilanja RANDRIAMANGA | Manavatsava lalina iny habakabaka iny,
Ilay heritreritra alahelo izay toa mangirifiry,
Tapako hatreto fa aina very maina,
Raha ny Hanadino ilay endrikao, mitamberina ao an-tsaina.
Izay jereko mantsy dia mampatsiahy anao.
Toa misy sarisary sy salovan-tavanao,
Izay toerana niarahina, tetsy sy teroa,
Sy ireo zavatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/marina-foana | MARINA FOANA | Fredy Jaofera | MARINA FOANA
Marina foana
ny fitiavako anao,
na efa moana
ny tantarany izao.
Marina foana
ny tsiaro mankany,
na misavoana
tsy misy toy izany.
Marina foana
ny alahelo mangina,
na manoloana,
efa mivoy fitoniana.
Marina foana
ireny teny nambara,
na tsy ahoana
sy tsy voapita tsara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/sitrakao-ve-ny-hanambady-ahy | Sitrakao ve ny hanambady ahy | Herilanja RANDRIAMANGA | Etsy ange ianao hoe, omeko teny mamy,
Ilazako ventsom-po, avy any anatiko any.
Efa fantatrao fa averiko ombeny ombeny.
Afa ny nataoko fa afa ihany koa ny teny.
Avia akaikiko eto hiventesako azy
Tsy lainga velively na koa hoe vazivazy,
Fa teny am-pahamatorana, tenin-dehilahy,
Tsy mivadim-pitokisana, fa satria ana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/hay-ka-vadinolona | "HAY KA VADIN"OLONA" | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | Nifanena isika,kisendrasendra tampoka tsy azo nidifiana,
ianao midoladola an-tanan'olon-tiana no sendra nahadona,
nodiako mba nifona,toy ny hoe izaho no diso tsy nijery,
niondrika aho avy eo,"hay ka vadin'olona"hoy aho niteny irery.
eto izao vao fantatro fa iny kay'lay niantso nodiany fa hoe zokiny,
ny tena moa mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-fahasambarana | MISY FAHASAMBARANA | Fredy Jaofera | MISY FAHASAMBARANA
Misy fahasambarana
izay tsapa isantarana
vao manoloana azy
fa tsy mba vazivazy.
Misy fahasambarana
mamoha fandaharana
ho nofy tsy mitsahatra
ny eto ka mamahatra.
Misy fahasambarana
mila, hoe, niangarana
fa mamelona ahy fitia
angamba ho tabiha.
Misy fahasambarana
tsy misy fitsaharana
mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/miandry-foana-andry | Miandry Foana an-dry | Herilanja RANDRIAMANGA | Ny soratra hono mitoetra...
Dia nataoko an-taratasy...
Iriko mba hiseho…
Bika sy toetra...
Fitia tsy nisy tasy...
No noentinao nankeo…
Dia revo aho ka tia...
Nafana vetivety...
Ilay ao atratrako ao…
Miandry foana an-dry...
Raha toa re ka mety...
Dia ataovy izao dieny izao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/ankavia-sy-ankavanana | Ankavia sy Ankavanana | Herilanja RANDRIAMANGA | Ny masoko nijery, nitopy taminao
Dia nahita hery sy fanirina vaovao,
Ny masonao niharitra nandinika ny masoko
Dia indro nahatsikaritra, ka nanoana ny antsoko
Dia nitafatafa sy nifampotoana
Ora vitsy avy eo, dia nifarana ny taona
Tany am-piangonanan’i Jesoa Kristy
No nandeha nilanonana ny Mpifankatia.
Dia tonga ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/maina-sahady-ve | Maina sahady ve, | Herilanja RANDRIAMANGA | Maina sahady ve,
Ny ravina nihinanana?
No zary te- handeha,
Tsy azo mba hotanana
Hadino irony voady
Sy teny ‘zay nomena
Nilofika sahady
Lay hazo novolena
Niova ho mangidy
Irony teny mamy
Lay olona finidy
No hampitomany
Koa hangina zato foko
Fa gina sady sina
Higoka ny toloko
Hilaozan’olon-tiana
Masina k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamoha | MAMOHA | Fredy Jaofera | MAMOHA
Mamoha fitia
izao, chérie,
ka aza igagana
raha tsy tana
ny hetsi-po
izay mba to
mahamirana
ka Ifikirana
moramora
mba ho ora
sarobidy
no mandidy
eto hatrany,
hoy ny tany,
ho antsika
raha adika
vetivety
ary hitety
hafaliana
mahasina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-tsikinao | AMIN'NY TSIKINAO | Fredy Jaofera | AMIN'NY TSIKINAO
Amin'ny tsikinao,
misy tsiky lafo
tiako lava izao
raha te hisafo.
Amin'ny tsikinao,
misy hazavana
tsy mba natao
ho azo ialana.
Amin'ny tsikinao,
misy fientanana
ao anatiko ao
ka iadanana.
Amin'ny tsikinao,
misy hafaliana
avy manavao
ny faniriana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsiaro-mandoaka-tratra | TSIARO MANDOAKA TRATRA | AORN | Nandalo teo izy androany
Vinitra dia vinitra
Tsy hay hoe inona no antony
Fa iny masony iny
tsy nikipy kely akory
Nivandravandra tamiko
No sady te hiteny hoe:
"Lasa ianao mandeha..."
fa izaho nisaina kely
Tsy avy hatrany dia nitroatra
Notoneko aloha ny foko
Mba tsy hiakatra handroatra...
Teo aho vao nahatadi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/marary | MARARY | Fredy Jaofera | MARARY
Marary aho miaina
alahelo ankehitriny
ka sarotra lanjaina
iny lasantsika iny.
Marary aho miaina
fisarahana mitaona
andro tsy antenaina
hanova fo misaona.
Marary aho miaina
ny sangisangy tiana
ka anio re mangaina
tsy mahita hitosiana.
Marary aho miaina
ilay fitia nanjavona
fa dia noviraviraina
sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zana-javatra | ZANA-JAVATRA | Fredy Jaofera | ZANA-JAVATRA
Zana-javatra
tonga lafatra
voa-janahary
an-karihary.
Zana-javatra
misy hafatra
azo ambara
fa dia tsara.
Zana-javatra
tena fatratra
izay faniriana
ho fitoniana.
Zana-javatra
mandahatra
hasambarana
tsy hifarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/jerijerena | JERIJERENA | Fredy Jaofera | JERIJERENA
Jerijerena
fa novolena
vatana soa
tiana tokoa.
Jerijerena
tsy nofefena
fa manja ery
mamoa fitia.
Jerijerena
fa mandena
nofinofy eto
ka dia raketo.
Jerijerena
fa azo ekena
Ity hatsarana
izay igagana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vao-mijoro | VAO MIJORO | Fredy Jaofera | VAO MIJORO
Vao mijoro
manoloana
dia mandoro
ainga foana.
Vao mijoro
toa niniana,
ny horohoro
dia tsy tiana.
Vao mijoro
hotazanina
toa manoro
f'efa manina.
Vao mijoro
hiresahana,
tsy mkoro
hisintahana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-nosedraina | IZAY NOSEDRAINA | Fredy Jaofera | IZAY NOSEDRAINA
Izay nosedraina
dia ao an-tsaina
fa tsy eritreretina
sao tonga aretina.
Izay nosedraina,
hery ampiasaina
handrava ny lasa
ho soa ny fikasa.
Izay nosedraina,
tsy mampalaina
fa mampiezaka
tsy hitofezaka !
Izay nosedraina,
tsy ankahalaina,
zary mampitraka
ka tsy mivanaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/salegy-mitomany | SALEGY MITOMANY | hjravs | S A L E G Y M I T O M A N Y
Raha tsy nipoitra intsony tany amin'izay nilentehany moa izany ilay mpanjakan'ny hazavana,
dia mbola azo lazaina ho andro ve ny alina tsy misy fiafarana?
Soa ihany
fa injany,
mifamaly, any ho any
ny kôkôrriikon'ny akoholahy
manambara, mampatsiahy,
indray ny fiaviany,
dia iny eny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/indramiko | INDRAMIKO | Fredy Jaofera | INDRAMIKO
Indramiko ny soratra
hizotra haingana any
mba hitondra, ohatra,
izay alaheloko ihany.
Indramiko ny vorona
hitaona ny fitiavako
ka tsy avy hamorona
fa lainga, rahavako.
Indramiko ny volana
handroso hazavana
hanafaka ireo olona
tsy nisy fiafarana.
Indramiko ny andro
hampitsiky eto anao,
sady haha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/midoboka-ny-fo | MIDOBOKA NY FO | Fredy Jaofera | MIDOBOKA NY FO
Midoboka ny fo
f'inona ity manjo
mahita hatsarana
eto mahatamana ?
Midoboka ny fo,
variana fa dia to
izany nofinofy ela
tsy nahay namela.
Midoboka ny fo
fa tanjona tsy lo
mitranga vetivety
ny izao re ka mety.
Midoboka ny fo
fa dia tsara hoho ;
hita, hoe, bikaina
rehefa tantaraina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/nofy-hafa-kely | NOFY HAFA KELY | RAVINALA | Nofy manja kely,
Nofy feno anjely.
Vao mihodina mijery,
Zaridaina misitery.
Karazam-bonikazo am’tapitrisa,
Marevaka sy kanto, tsy ary votanisa.
Samy feno felana mampiteny irery,
Mitambatra ho loko, sahala mavokely.
Jerena tsisy miofo,
Manintona mpisoko.
Nofy hafa kely,
Nofy mistery. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/sahia-mitraka-sahia-mandroso | Sahia Mitraka, Sahia Mandroso | RAVINALA | Tsy hoe niverin-dalana aho akory raha niala sy nandao ny safidy izay nekeko,
Nandrava ny kinasa ka nitsipaka lalàna fitsipi-tarigetrako
Tsy hoe nivarilavo sady velom-panenana amin'izay tsy fahombiazana
Fa mitady tsaratsara, alim-pahasambarana handroso tsy hikemo hanavao ny fiainana
Tozohiko mangina ilay ankehitrin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/ny-foko-ho-anao | NY FOKO HO ANAO | RODER | Ny foko ho anao
Ao amin'ny zaridaina miafina ao an-tsaiko,
Izay mibitsibitsika zava-mamy mangatsiaka ny voninkazo,
Mamboly nofy aho, mamony fanantenana,
Ny felany tsirairay dia mandihy, fientanam-po mafana.
Ny foko ho anao, harena sarobidy,
Toy ny renirano mihira eo ambanin’ny lanitra feno kintana,
Ny onjan'ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/taona-vaovao | Taona vaovao | havotraniaina | Lasa iny ny taona, mivalona ho lasa.
Tsy adino ny tantara, sy izay ho kinasa.
Taom-pifaliana, ny taona vaovao.
Izany no irina , ho ahy sy ho anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-niova | NY. NIOVA | Fredy Jaofera | NY NIOVA
Ny niova dia ianao ihany
fa ny aty re dia tsy izany :
mivoy lava fitia sarobidy
izay anio toa tsy tadidy.
Ny niova dia ianao ihany
ka misento tsy hita lany
sy mangingina hafahafa
fa ny tantara dia voafafa.
Ny niova dia ianao ihany
ka nanadala ireo tomany,
tsy nampino ny dona azo,
nipoitra ho azy it... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/ny-antsoko-anio | NY ANTSOKO ANIO | RAVINALA | Ray ô,
Ny lasako rehetra re mba miangavy,
Soloy famindram-po, hadinoy ny sazy.
Ny faharatsiana, fidorohana sy halatra,
Ampy izay, mba omeo fitserana hiandrandra izany Lanitra.
Toky no omeko, ny hanolotra ny meva,
Tompo ô, Ianao ekeko fa ambony sady ngeza.
Aoka izay ny omaly, ny lasan-drendrarendra,
Inty aho, ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-lava-taria | AZA LAVA TARIA | Fredy Jaofera | AZA LAVA TARIA
Aza lava taria
no angatahiko
fa nampikodia
ka tsy arahiko.
Aza lava taria
fa tsy itokiako,
nandrava fitia
ary nijaliako.
Aza lava taria
fa nampahory,
sady toa ninia
tsy hampatory.
Aza lava taria
fa dia be lainga ;
kizo nampahia
matoa miainga. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra%C3%AF-tsitoh-mikalo/inona-no-mety-ho-tohiny | Inona no mety ho tohiny... | Raï Tsitoh Mi'kalo | Raha vao iny izaho niakatra ny fiara iny
Dia nahita anao ity foko tsy manantsiny
Mba nidoboka izy sy nisento indray mandeha
Ka toa very saina tampoka teo aho re!!
Tsy nisy seza malalaka intsony ny tao anaty fiara
Ka nangataka ny hipetraka teo akaikinao aho ry "Kiala"
Nanaiky tamin'ny loha fotsiny ianao sady tsy r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/hadinoy | HADINOY | DADAFARAtolotra | Ampiasao ny saina mba hanadino ny hafa
Aza asina gôma na hiandrasana kifafa
Hilazao ny fo,mba hanilana ny ahamaminy
Ampahafataro an'azy, fa iny kay nindraminy
Fa tsy azy irery akory
Ka handefasam-bina,sy tsy ahitana tory
Ka sitranà hono hoe!
Bedeso indray ny tanana, fandrao mbola mandray
Ampahatsahivo an'azy ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fa-matoa | FA MATOA... | AORN | Tononkalo nosoratana tamin'ny faha 30 taona nikatrohako teo anivon'ny Fiangonana Ekar Manjakaray
...Fa matoa aho toy izao,
mbola afaka mijoro
Dia noho ny fanambinanao
Ry Ray Mpahary izay nikolo
Fa nanampy ahy ihany koa
Teny an-tsefatsefam-piainana
'nareo lay tapaka sy namana
no sady aZoko itarainana
Fa tsy ad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-mitady-2 | AZA MITADY | Fredy Jaofera | AZA MITADY
Aza mitady
handratra ny foko
rehefa mandady
ny jaly sy misoko.
Aza mitady
hanimba ny saiko
rehefa mianjady
anio ny antenaiko.
Aza mitady
handrava ny tiako
rehefa ao an-kady
ny hany fijaliako.
Aza mitady
hanary ny tenako
rehefa inty mifady
an'ireo fanorenako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/rosoa | ROSOA | AnjaraNivo | ROSOA
Singaniko manokana eto ianao mbola mitraka
Na inona ady mazana nateraky ny vita;
Aza omena vahana handresy anao ny ratra fa
Ianao ilay zanak'olona nateraka ho tafita!
Nambinin-janahary izay rehetra velona aina,
Tsy misy koa nateraka hisedra faharavàna;
Ny fiainanao mamiratra efa alaivo sary an-tsaina
Ka m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/manirery | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitsiriritra | MITSIRIRITRA | Fredy Jaofera | MITSIRIRITRA
Mitsiriritra ery
fa eto mankafy
itony bikabika
mahasariaka
kanto foana
manoloana.
Lasa saina re
fa manja be,
tsy mampino
ka vimbino
itony nofy
sy rakofy.
Faniriana
sy fifaliana
mbola lafo
ka misafo
moramora,
hoy ny ora. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/satria-ianao-mpamitaka | SATRIA IANAO MPAMITAKA | DADAFARAtolotra | Ahidiko ny vava tsy avelako hiteny
Tapenako ny sofina ny antsonao tsy rehany
Ireto fahasambarana kasaiko mba hatao
Akipiko ny masoko dia tsy mijery anao
Satria ianao mpamitaka!
Tazomy ho anareo ny lasa izay niraisana
Maratra ny fitiavako ka mbÿ mahita faisana
Ny tsiaro izay nandroboka ny foko tany aloha
Fefena ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malahelo | MALAHELO | Fredy Jaofera | MALAHELO
Isan'andro,
malahelo anao
ny foko
ka mitandro
hatramin'izao
fitia misoko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/efa-zatra-anao | efa zatra anao | Randja | Efa zatra ny miaina akaikinao aho
dia lasa saina lava izao
tsy ahitana endrika mirana
fa malahelo foana no sady sahirana
Efa zatra ny tambitambinao koa
indrindra rehefa misy mahavoa
indro foana ny hakiviana
rehefa misy anao ry tiana
Efa zatra ny sangisanginao sy ny hanihaninao
toa tsy sahy ny hitady olom-baova... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malagasy-2 | MALAGASY | Fredy Jaofera | MALAGASY
Malagasy ny fiteny
no manaja hatrany
ka sitraka ombieny
fa marina eto izany.
Malagasy ny fitafy
no mahatsara bika
ka tsorina sy afafy
fa kanto raha adika.
Malagasy ny fanahy
no mitondra hasina
ka aoka tsy hanahy
sao re hitsinkasina.
Malagasy ny fanao
no mitory fifaliana
ka velomy sy hajao
ho so... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/vaika | VAIKA | AnjaraNivo | VAIKA
Ianao tsy manadino
'Nefa izaho koa mahatsiahy
Maniry ny hifanatona
Fa misy tebiteby.
Kanefa tena tsapa
Samy tia fa tsy mahasahy.
Mankarary fo hay ny
Mitoetra ho olon-kendry.
Ny lasa moa nandratra
Sy nanangana hambom-po;
Ny tsara efa nipetraka aza
Lofika tsy tazana.
Fa ny ho mpifahavalo
Izany tsy hef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mbola-tiako-izy-iny | MBOLA TIAKO IZY INY | Fredy Jaofera | MBOLA TIAKO IZY INY
Mbola tiako izy iny,
ataovy tsara an-tsaina,
na tsy izany no iriny,
hoy aho, vao maraina.
Mbola tiako izy iny,
na efa nikopaka tokoa ;
izay re no hafaliany
ka atao ahoana moa ?
Mbola tiako izy iny
fa manan-tsiky mamy
nanova ankehitriny
ka ilaiko ery ho tamy.
Mbola tiako izy iny
hiainan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/hafatra | HAFATRA | Njakahery ANDRIAMALALA | HAFATRA
Etsy mba henoy kely fa ny androany aho mba hanafatra,
Ialana tsiny ihany, ity tena mbola zaza tsy teny akory fantatra,
Fa teny kely fotsiny ihany, sarisary an-tsaiko ao,
Hosoratako eto anio sy hatokako ho anao.
Androany aho mba hanoratra na tsaroana toa mavesatra f'indrisy tsy azo afenina,
Sadaikatra ihan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/fandrosoana | FANDROSOANA | Nosy Malala | Rehefa mahita tsirony tamin’ny kolikoly,
Dia lasa raikipitia tsy te hiala intsony.
Mamboly voky tsy mamboly voky,
Mahafantatr’olona dia manana toky.
Raha maikamaika tsy tia miandry ela,
Antso antariby dia milamina ny afera.
Misy olo-tsy fantatra, mandondona birao,
Rehefa mamoaka valopy dia vita ny atao.
Hadino... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izany-ka-vatana | IZANY KA VATANA | Fredy Jaofera | IZANY KA VATANA
Izany ka vatana,
indro soratana
fa mahavariana
sy tena tiana.
Izany ka vatana
hamirapiratana
fa dia harena
rehefa jerena.
Izany ka vatana
afa-mitantana
ny foko, zareo,
ho lavi-toreo.
Izany ka vatana
eto mivantana
mitory ho doria
ny tena fitia. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/hevero-ihany | HEVERO IHANY | Njakahery ANDRIAMALALA | HEVERO IHANY
Ny afo raha mandoro, tsy mba mamela akory na ho ala iray matevina,
Tsy mifidy rotsan-kazo fa na kely na lehibe dia tsy maintsy ho tonga levona,
Ny raozy raha mamelana na kanto toy ny inona dia ho simba eny ihany,
Irony taolana milevina raha lalovany fotoana moa ve tsy ho lasa tany ?
Ny zavatra rehetr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nandramako | NANDRAMAKO | Fredy Jaofera | NANDRAMAKO
Nandramako
ny fanadinoana
fa tsy namako
matoa tsaroana.
Nandramako
itony fanginana
fa tsy zakako
rehefa iankinana.
Nandramako
ny fankahalana
fa ito vatako,
be fitia igagana.
Nandramako
ny fandosirana
fa tsy lakako
vao tsy mirana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tokony-teto | TOKONY TETO | Fredy Jaofera | TOKONY TETO
Tokony teto
ianao, tadidio ;
avia areheto
ny nofiko anio.
Tokony teto
re nampahery,
izany, raketo
fa manina irery.
Tokony teto
nivoy hafaliana,
ny ora rafeto
ho be fitoniana.
Tokony teto
nitory ahy fitia,
eny re, ireto
ny aingako, avia. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ho-tiany-foana | IANAO DIA TIANY FOANA | AORN | Teny kely monja
no andrasany aminao
dia tena sambatra izy
fa izy mantsy hono
dia mbola heverinao
hisaina ho toy ny ankizy
tsy nahataitra anao
ny fihetsiny hatrizay
Nanopy maso hatrany
angamba odianao tsy hita
lay izy te hiantsampy
sy hahazo teny mamy
Dia hafatra napetrany
sy noteneny ahy
ka maha sarotiny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/fiovana | FIOVANA | RAVINALA | Fiovana ve midika fa mandao ny mahazatra
Fiovana midika fa miala ‘zay nankahalaina?
Fiovana anaka ; ny fonao vonona hiova
Hiala sy hanadino ny ratsy izay fanao
Raha mpisotrosotro ialahy izao
Ny fiovana tsy hoe ialahy mifady
Na ialahy mankahala ; fa ialahy tsy mivoady
Mahatsapa fa tsy tsara
Ny tena fiovana dia i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-teninandriamanitra | NY TENIN'ANDRIAMANITRA | Fredy Jaofera | NY TENIN'ANDRIAMANITRA
Ny tenin'Andriamanitra
dia tantely
ilain'ny fanahy rehetra
manentoento hanitra
tsy mba kely
sy misy hasina mitoetra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/tanorani-sacre-coeur | Tanoran`i sacre-coeur | RODER | Tanoran`i sacre-coeur
Indreto izahay ry Tomponay
Tanora samy hafa foko izahay
Hanaradia anao hahay
Hitory ny Evanjelinao
Mitarika ireo tanora
Ara-batana,ara-tsaina ,ara-panahy
Hiezaka hatrany fa tsy mora
Ny hahatanteraka izany
o o o
Faly e e e ,faly e e e
Tanoran`i sacre-coeur |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/tsy-irery-intsony-ianao | TSY IRERY INTSONY IANAO | Njakahery ANDRIAMALALA | TSY IRERY INTSONY IANAO
Topazo maso ny antsinanana, ny andrefana, ny avaratra
Toa feom-boron-kely sisa no hany henonao manako,
Mety ho rivotra mifofo, rahona matevina, orana milatsaka
Hisento kely ianao, senton-kafaliana hibanjina ny tavako
Ifalio fa…,
Na ho heverinao ho toy ny tany karakaina
Ka tsy orana handen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/vovoka | VOVOKA | AORN | Vovoka ianao ka hody vovoka indray
Tsy afaka hanoatra rehefa tonga ny andro iray
Tsy ahita-panafana raha mbola ody faty
Fa ny fahafatesana mangidy tsy ho tanty
Fa raha mbola velona araraoty koa ny andro
tsy misy iray mahasakana ny anjara masoandro
Ny mahay mitia no azo antoka indrindra
Fa handova lanitra ho any ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/odilon-razaka/ho-anny-zanako | Ho an'ny zanako | Odilon Razaka | Hoan'ny zanako
Na hikiry na ihafy dia ho atao
Na hikiky na anafy dia ho anao
No ifohazana maraina
Ianareo no dimbin'ny aina
Ho taranaka hitohy
Ny fotoana no amoy
Ny fahitako anao ifaly
Tsy ho zakako mandramaty
Ka iezaka ampifaly
Iriko tsy ijaly
No anaovanay ireny
Hoy i Dada sy I Neny
Ka Aza mandraka Ilo mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nampahory | NAMPAHORY | Fredy Jaofera | NAMPAHORY
Ny sedra nandalovana
izay tsy nety nafindra
dia ato anaty matory
ary ny fahatsiarovana
izay tsara indrindra
dia ireo nampahory. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/vavaka | Vavaka | havotraniaina | Vavaka
Manome voninahitra Anao ny voaharinao,
Ry Andriamanitra Avo indrindra.
Eny! Manandratra Anao ny voaharinao.
Fa lehibe sy marina indrindra.
Tsara Ianao,sady mpanao ny tsara,
Eny! Izao rehetra izao, asan'ny tananao.
Iza no tsy hatahotra manoloana Anao,
Manoloana ny seza fiandriananao.
Izahay olombelona no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/fitombonny-taona | Fitombon'ny Taona | Rabarison Roberto Stephan | Fitombon'ny taona
Sady faly aho no malahelo
Satria ny taona mitombo
Ny vatana mihaosa
Sady faly aho no malahelo
Satria ny adidy mihamitombo
Ny vatana mihavotsa
Dia hitombo indray ny taona
Hiena ny andro hivelomana
Ny ditra atao mandra-pihaona
Fa ny ho avy no hilofosana
Dia ho matotra amizay
Toy ny olobe reh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/miverena | MIVERENA | DADAFARAtolotra | Andeha akipiko ny masoko dia amin’izay aho tena jamba
Andeha saromako ny foko,dia afenina ao anaty lamba
Satria efa matoky mihitsy fa ianao tsy hanampiana
No hisakambina ny fianako,na lafatra na fahoriana
Ka dia miverena ianao !
Andeha averiko tsongoina,ireo fahiny sao mifoha
Andeha averiko hafafy,sao hamelana ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/any-ianao | Any Ianao | RODER | ANY IANAO
Any ianao tsy taza_maso
Mirary anao hatrany ny aty
Ny fitiavako tsy matsaso
Fa ho mandram_pialako ety.
Diniho ny hatao
Eretrereto ny ampiso
Fa ny hafatro dia izao
Ianao ve mba mieritreritra ahy piso.
Any ianao dia& mifalia
Teny alefa ho hafatra
Ianao no fleur Rosalia
Ary tena tonga lafatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/jehovah-aloha | JEHOVAH ALOHA | Fredy Jaofera | JEHOVAH ALOHA
Jehovah aloha
ivavahana
rehefa mifoha
hiarahana.
Jehovah aloha
antenaina
ho hafa tokoa
ny maraina.
Jehovah aloha
ianteherana
haniry ireo voa
fanaperana.
Jehovah aloha
itokiana
vao mitady soa
hifaliana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/vavaky-ny-taona | VAVAKY NY TAONA | RODER | Vavaky ny taona
Misaotra anao ry Ray
Amin`izao taona izao
Fa nomenao anay
Ity taona vaovao.
Hoan`ny fiangonana
Sy ny firenena
Hiaina amin`ny fiombonana
Tsy hisy ny fanaparampahefana.
Atolory anay ny fahendrena
Esory aminay ny fitiavan-tena
Hiaraka aminao mandrakizay
Amin`ity taona nomenao anay.
Hafaliana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rmlydia/ity-taona-ity | ITY TAONA ITY | RMLYDIA | ITY TAONA ITY
Ho taona feno fitahiana
Hamangin’Andriamanitra ny fo
HanatanterahanY izay faniriana
Hialàna ihany koa amin’ireo kitoatoa
Taona hanarenana ireo kivy
Hifoha indray ka hanefa izay adidy
Hisikina hery handroso hatrany
Taona ! Ny fifaliana tsy ho lany
Ampy izay ny faharesena
Fa izao dia ho taona fen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/noely | Noely | Randja | Ny noely no ankalazaina
dia ilay mpamonjy no deraina
heni-kafaliana ny ambany lanitra
fa teraka ny zanak'Andriamanitra
Nateraky Maria virijiny
ilay zaza tsy misy tsiny
tamin'ny andron'ny noely
i Jesoa mpanjakan'ny anjely
Tonga ny noelim-pamonjena
dia Jesoa Kristy no ekena
ho tompo hamonjy amin'ny sarotra
iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vavaky-ny-taona | VAVAKY NY TAONA | Fredy Jaofera | VAVAKY NY TAONA
Ny taona vaovao
dia fenoy Anao,
Andriamanitra Ray,
no hafatra mivay
ho tena fitahiana
mbola tsy zovina.
Ny taona vaovao
dia mba anjakao,
fenoy fiadanana
tiana hananana
ho be haravoana
tsy hay soloana.
Ny taona vaovao,
taomy, ampiasao
ho fahombiazana
no tena ho tazana,
n'aiza n'aiza aleh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/asaramanitra | Asaramanitra | Randja | Migadona ny asaramanitra
andro iray toa zato
mikorana sy mifety tsy miato
ireto vahoaka finaritra
Arabaina tratrin'ny asaramanitra
hitondra fanambinana ho anao anie ity taona ity
tsy hitrangan-tsampona anie ny dia
homba anao anie Andriamanitra
Asaramanitra no fety miavaka
amin'ny fety rehetra anatin'ny taona
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mampanantena | MAMPANANTENA | Fredy Jaofera | MAMPANANTENA
Ny taona vaovao
dia mampanantena
hoavy dieny izao
hivatsy fandresena.
Ny taona vaovao
dia mampanantena
fa hisy ao ho ao
ny vola aman-karena.
Ny taona vaovao
dia mampanantena
fa hifamahofaho
irony tsiky sesehena.
Ny taona vaovao
dia mampanantena
fa tsy mba tsaho
ireo tanjona nekena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/volena | VOLENA | Fredy Jaofera | VOLENA
Volena fahantrana
i Madagasikara
ka dia tsy hay ialana
ny jaly mahatara.
Volena fahavoazana
ny olona rehetra
ka maro lasa razana
mampipararetra.
Volena fihemorana
ny asa mahasoa
rehefa eto ifotorana
ka dia kivy moa.
Volena fangalarana
isan'andro izao
ka ny fandaharana
ho loza mitatao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misosoka | MISOSOKA | Fredy Jaofera | MISOSOKA
Lasa ny mamba,
misosoka ny voay
ka tsy ho angamba
ny hiaina amin'izay.
Avelao izy ho any
fa ny tsara dia be,
tsy tanjon'ny tany
ny ho tokana re !
Tsy miala ny zoto
hitady hafa indray
ka tsy mirotoroto
fa mitony fahizay.
Izany no fiainana
ka ekena marina,
tsy dia itarainana
f'efa namboarina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hahasoa | TSY HAHASOA | Fredy Jaofera | TSY HAHASOA
Tsy hahasoa ny firenena
ny vinavina nokendrena
raha be fahasahiranana
tsy misy fananganana.
Tsy hahasoa ny firenena
itony andraikitra babena
raha tsy misy fivoarana
ny fahefana nisasarana.
Tsy hahasoa ny firenena
ny kabary tsy hay fefena
raha tsy hita mamokatra
sy fiadanana misokatra.
Tsy hahas... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ao-aminny-avo | AO AMIN'NY AVO | Fredy Jaofera | AO AMIN'NY AVO
Ao amin'Ny Avo
dia misy fo ravo
azo antenaina
isa-maraina.
Ao amin'Ny Avo
dia tsy manjavo
izay ifotorana
sy izorana.
Ao amin'Ny Avo
dia tsy olo-mavo
be fanahiana
fa fitoniana.
Ao amin'Ny Avo
dia tsy mandavo
fa andry mafy
tsara hatafy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fitiavana-tsy-ninoana | FITIAVANA TSY NINOANA | Fredy Jaofera | FITIAVANA TSY NINOANA
Fitiavana tsy ninoana
no nanambatra antsika
mbola tsarotsaroana
namaritra vao nisy bika.
Fitiavana tsy ninoana
no nitranga ho azy tery
nibaby firavoravoana
naharevo foana ny dia.
Fitiavana tsy ninoana
no namoa hasambarana
fa ny fisentosentoana
namely tsy hita nifarana.
Fitiavana tsy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iza-izato-ianao | IZA IZATO IANAO ? | Fredy Jaofera | IZA IZATO IANAO ?
Iza izato ianao
no hita amin'ny nofy ?
Eny re, lazao
fa nandrava ny rofy.
Iza izato ianao
no nanaitra torimaso ?
Olom-baovao
hanolo irony an-kaso ?
Iza izato ianao
no neken'itony foko ?
Moa ve natao
hampisinda toloko ?
Iza izato ianao
no tsy miala mihitsy ?
Tsy te handao
fa antso iray ... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.