url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mi-antsa/tompo-o | Tompo o! | mi-antsa | Ampianaro aho hahay
hanaiky izay voalahatrao
ka hijoro tsy hanahy
n'inona hodiaviko ao
Ampio aho mba hahazaka
ny anjarako voatendry
hankato tsy hiambakavaka
hanao fanaikin'olon-kendry
Ny zepizepim-pahoriana
aza avela hanafotra ahy
fa fenoy fahatokiana
ny foko,saiko sy fanahy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zava-poana | ZAVA-POANA | Fredy Jaofera | ZAVA-POANA
Zava-poana tsisy hanitra
ny fiainana eto an-tany
raha tsy Andriamanitra
no momba anao hatrany.
Zava-poana tsisy dikany
'zay rehefa tian-katao
raha tsy eo ny hiakany
mitari-dalana ho anao.
Zava-poana tsisy lanjany
ny harena izay katsahina
raha tsy eo re ny tanjany
miaro anao tsy ho pahina.
Zava-p... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fianarana | NY FIANARANA | Fredy Jaofera | NY FIANARANA
Rehefa ny fianarana
no tsy mba isasarana,
atao ambanin-javatra
sy ankahalaina fatratra
dia aza asiana nenina
rehefa mipenipenina.
Rehefa ny fianarana
no tsy mba nanitarana
ny soa tsy maintsy ilaina
ho entintsika miaina
dia aza taitra intsony
raha tsy lasa ambony.
Rehefa ny fianarana
no tsy mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/vetsom-p-ho-anao | VETSOM-P♥ HO ANAO | ILIMIM JIVISDI | VETSOM-P♥ HO ANAO
Ity ventsom-poko ity
Dia afoiko omena anao,
Ataonao fahatsiarovana,
Raha sendra ianao torovana
Bitsiky ny foko
Mangiana samirery
Afoiko tsotr’izao
Raha toa ka sitrakao
Tononkalo iray
Ataovy sovenira
Raiso ankafaliana
Ka vakio am-pitsikiana
Vokatry ny saiko
Sy kalon’ny fanahiko
Afoiko di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/isanandro | ISAN'ANDRO | Fredy Jaofera | ISAN'ANDRO
Isan'andro aho mahare feo
mitaditady sy mahamirana,
miantsoantso sady avy eo
mihirahira an-kodimirana.
Isan'andro aho mahare ako
miverimberina tsy miato,
manaitaitra ary zary bako,
nanavatsava tato ho ato.
Isan'andro aho mahare vazo
manelingelina ahy matory,
mitaraindraina no tsy azo
ampanginina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zezika | ZEZIKA | Fredy Jaofera | ZEZIKA
Zezika lafatra mba nampiroborobo
ny antsam-pitiavako
iny voninkazo tao anaty lobolobo,
nampitsiky ny tavako.
Zezika tsara mba nahay nampitsiry
ny tena hasambarana
iny kalokalo niverimberina impiry,
tsy fantatra anarana.
Zezika ambony mba nahay nampitombo
ny toky nananana
iny hetaheta ka tsisy kirombor... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/ny-tannako | NY TANÀNAKO | ILIMIM JIVISDI | Ny tanàna tsy foiko ialàna
Dia vohitra mahatamana
Tsy dia kely tsy lehibe koa
Tanàna tsy manam-paharoa
Any andrefan’ Iarivo any
Ilay tanàna tsy be mpanontany
Tsy mitokana fa mifangaro
Tanàna tsy fantan’ny maro
Tanàna tsy dia be lamaody
Nefa kosa maharaka kaody
Voaraka rova iray
Tanànako rahatrizay
Dia mitoh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabenainga/teny-tsotra-no-tsy-lava-n | Teny tsotra no tsy lava
n | Raben'ainga | Teny tsotra no tsy lava
ny teny hoe "tiako ianao".
Raha tsy voaloaky ny vava,
dia mafana ao anaty ao.
Teny fohy fa mampahory,
mampijaly, mampahia.
Ka na voalaza tsy hay akory:
hanaiky ihany ve sa tsia?
Teny kely fa oman'aina,
hiroso ihany ve ny dia?
Baraingo foana no ao an-tsaina
indrindra raehefa tena tia.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mi-antsa/rafahafatesana | RAFAHAFATESANA | mi-antsa | Fa nahoana kosa rafahafatesana
No manao fihavin'ny tsy mahalala fomba?
Tsy nisy teny mba ho fampandrenesana
Tsy nasaina akory kanefa dia tonga
Ianao amin'zany tsy menatra akory
Fa sady mangalatra no manambaka
Tsisy fo antra fa faly hampahory
Mamolaka na-dantony tsy miambakavaka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hitler-beofo/tsapanao-izany | Tsapanao izany | Hitler Beofo | Tsapanao fa gasy ianao
Tsapanao kao fa manankarena ny razanao
Olona mitovy Ra izaho sy enao
Na anarana Rabe na Rajao
Tsapanao fa mpiara mandeha isika
Tsapanao ko fa gasikara ny fiavian-tsika
Gasy razabe velona ireny niarahan'tsika nahita
Gasy izaho ianao tsy odian-tsihita
Tsapanao fa tsy nambolena izany
Tsapan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mi-antsa/tsarovy | tsarovy | mi-antsa | Tohofany orokoro-mamy
Dia variana sy tamana
Nefa io molony io ihany
No mbola ilaza fandatsana
Tambitamby tsy hita lany
Safosafo tsy voafetra
Nefa io tanany io ihany
No handrangotra handratra
Ny angolangolany anio
Mahababo ny fonao
Nefa izao no tadidio
Any andro,izy handao
Ry foko kely dieny izao
Mbola tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hitler-beofo/tia-angambany | Tia angambany | Hitler Beofo | Tsara ery ilay afona
Mampanintona ny saina
Tia re aho mba aza iavonavonanao
Raiso lay fitia aza avela verimaina
Traingo ny lombakao
Very ny saiko
Ny foko miha mizozaka
Fitafy anaovanao any antsaiko
Tazomy re raha mba mety
Omeo fitia any hoany
Zao tia anao tsy anao fetsifetsy
Zavatra marina no lazaina amn'iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/iza-moa-ianao | IZA MOA IANAO? | ernest2015 | IZA MOA IANAO,
Iza moa ianao Razazavavy?
toa tsy mahalala ahy akory
nefa toa mamoha ahy sahady
ilay fitiavako mbola matory
Iza moa ianao?
Razazavavy tsy miraika,
Iza?Mba lazao
fa toa manaitaitra
Iza moa ianao azafady?
no mitia ahy tsy misalasala
toa sahy mametraka vohady
sahy miantso ahy hoe Malala!
Iza mo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/fisedrana | FISEDRANA | ILIMIM JIVISDI | Tanaty haizin-kitroka ny lalana ombaiko,
Nandalo onjan-drano ny toky nokasaiko,
Voafatotry ny tahotra ny tanjaka ananako,
Toa soa very maina ny herin’ity tanako.
Eny fisedrana, niserana ny lasako,
Kanefa mafy orina ny toky izay kinasako,
Tsy ho faty ny finoako, tsy hisy fitsaharany
Tsy ho levina aho, raha misy k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahy/fanahy | Fanahy | AHY | Fantro fa ho velona fona enao
Ary tsy hotapitra ny lalanao
Any akotra tsy misy mahita
Izay itoeran'olo maro niampita
Lazainy maro koa hoe fa tsy miverina intsony anao ry fanahy.
Ny antokin'ny tsy iverenanao dia efa taratra ahiahy!!
Ravany fahafatesana mifafy
Tsy hita itsony
Fa otrany rava hatramin'ny voany
Man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/iny-olona-iny-tsy-fantatr | iny olona iny
tsy fantatr | JNB | iny olona iny
tsy fantatro akory
nefa dia tiako sahady izy iny
saingy tsy ho hitako intsony!
veloma ry ilay tsy fantatra
veloma fa tsy ho hitako intsony
, nifampibanjina,nifampitsiky toy ny efa ela nifankafatatra
nefa veloma,veloma ka mandehana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/isiomanga/sentom-pitia | sentom-pitia | Isiomanga | Sento tokana mazàna
no injao manosika tsy tana,
ka mampifendro ny fanahiko.
Angamba sentom-pahakiviana,
vokatry ny faniriana,
tiako hivoaka fa tsy sahiko.
Hery tsy haiko vinaniana,
efa feheziko hangina,
nefa mikiry sy mitroatra.
Hery toa tsy ho lefy;
miezaka ny hihoa-pefy;
tena tsapako mivoatra.
Sento tokan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kodiaran-tsarety | KODIARAN-TSARETY | Fredy Jaofera | KODIARAN-TSARETY
Kodiaran-tsarety
ny fiainana an-tany
ka manao ny mety
no tsara aok'izany.
Kodiaran-tsarety
ny zava-drehetra
ka izay mifetifety
dia mbola hitsetra.
Kodiaran-tsarety
ny soa sy ny ratsy
ka izay mba tanety
ho ala atsy ho atsy.
Kodiaran-tsarety
ny lalan-kombana
k'andraso vetivety
fa mbola hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/ry-fireneko-indrisylatsa | Ry firenekoIndrisy,latsa | JNB | Ry fireneko
Indrisy,latsaka ianao!
Ry ilay fiereko o!
Mbola hizotra ho aiza re ny lalanao?
Mba hisy fanantenana ve?
Ny tia tena,ireo tsy mahalala izany hoe tsy fisiana
Izany no mitondra anao re
Ry taniko izay very na angamba arina? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/i-tie/efa-...-zatra | efa ... zatra | i-Tie | Tanana zatra mitsotra ka tsy vanon-ko hivonkimbokina.
Tongotra zatra mihetsika ka tsy velon-kidongizingizina.
Maso efa zatra mitazana, tsy viza-mitsinjo 'lay tsy haritra.
Vava efa zatra mipentsona, ka vonon-kiresa-maharitra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sega | SEGA | Fredy Jaofera | SEGA
Aoka aho handihy kely sega,
aoka aho handihy eto mangina,
avelao fa izay tazako, lahy,
miravaka soa mba nirina.
Tehafo fa ny lalako etoana,
toa hafa, tsy manan-tsahala ;
tohizo fa ny firavoravoana
no mitobaka be manadadala.
Topazo fa fihodinkodinana
no adin'ireo fahombiazana ;
jereo fa ny hoe : fanambin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/isiomanga/mijoro-aho | Mijoro aho | Isiomanga | Ra sendra olana mafonja,
be fiavy toy ny onja.
Ataoko ambony ny ahy ny saina;
faly aho fa mbola miaina.
Na alahelo ranomaso;
tafiotry ny ankaso,
toa misedra sy mitsara
tsy ataoko hahavery zara.
Ny tsy fisiana lavareny,
zary efa iainako ombieny,
tsy ataoko hampikoro
izay herintsaiko mba mijoro.
Ny rimorimom-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/kanto-arindra | KANTO ARINDRA | hjravs | KANTO ARINDRA
Ny rivotra malefak'ilay literatiora
nitsoka moramora,
nandretsika hampidola 'lay sombin-tahon-kanto
hirindra sy hilanto.
Ny gadona amin'ny felany, ny rima eny amin'ny voniny
rahefa norontsoniny;
dia verovero manitra, mahalasalasam-borona
no aserany any an'orona.
Nanaitra ny fanahy sy ny aingan'ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/io-fitiavana-io | "IO FITIAVANA IO" | ernest2015 | IO FITIAVANA IO
Io fitiavana io ihany
no matetika mampitomany
dia io fitiavana io koa
no mahatonga ratram-po
Io fitianvana io re Olona,
dia toa ady sy tolona
ady izay tsy moramora
indrindra hoan'ireo tanora
Io fitiavana io ihany koa
no vara-datsaka ao am-po
nefa misy mahatsapa any ho any
fa io fitiavana io ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/isiomanga/izaho-sy-ny-fiainana | Izaho sy ny fiainana | Isiomanga | Misy aho!
Izay ihany no mba fantatro
Ny ankoatr' izay, zava-dalina tsy takatro
Misy aho dia nisy teto antany
Fa tsy mba hary tany ho any
Misy aho, mivelona, miaina
Mitia sy misaina
Mahay mankahala
Misy sombim-pahalalàna
Manan-jo, manan-tsafidy
Tena afaka mandidy
Misy aho, saingy ny fisiako manampetra
Na dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahatsiarovana-hatry | FAHATSIAROVANA | Fredy Jaofera | FAHATSIAROVANA
Hatry ny ela no nokoboniko
'reo mipetraka ho tantara
ka iniako tsy hotononiko
raha tsy tonga ny anjara.
Hatry ny ela no voahidy
'reny fosa be tsy zaka
ka iniako tsy ho tadidy,
na dia nisy lalim-paka.
Hatry ny ela no voalevina
'reny ngidy izay nafaitra
ka iriko tsy hampievina,
na dia mafy sy t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/voatsinampin-ny-finoana | VOATSINAMPIN' NY FINOANA | ILIMIM JIVISDI | Andrandrao minitra monja vetivety kely anie e!
'lay masompahatakaranao handinika avy hatrany
Raha misy koa finoana arahim-pasoavam-be_!
Moa ve tsy ilay Safidinao no nahatontosa izany?
Indraindray anefa izy, ilay toherin'iny tahotra
Manahy fandrao dia mbola hisy fisedrana amahotra
Handroso fa voasakana satria tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/maro-no-nitia | MARO NO NITIA | Nofy2 | Eny maro no nitia ka dia nanam-paniriana
Fa ilay malalany io no tena tiany ho vadiana
Nefa dia nivadi-kevitra rehefa injay nahita hafa
Tsy nisalasala akory fa adino teo ny lasa
Efa maro no nitia ka nivonona tokoa
Dia niseho ray aman-dreny fa hiroso izy roa
Nefa indrisy zava-poana fa nanda ny etsy an-daniny
He!ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/miangavy-02 | Miangavy 02 | RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison | Hono,ho'aho ry tiako
Moa ve mba efa nosaininao
Izay mety ho fijaliako
Raha toa ka ilaozanao?
Moa ve mba efa nosaininao
Izay mety ho amiko
Raha toa ka hoesorinao
Izay mba tena mamiko...?
Aoka re izao
Aoka,aoka e! Tsia!
Izaho ka tia anao
Ary tia dia tena tia!
Aza ariana aho,
Aza ilaozana izany
Fa ny foko e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/ty-foko-mba-maniry-anao-t | ty foko mba maniry anao
T | JNB | ty foko mba maniry anao
Tena mijaly mila ho lao
Lao izao fiainana izao
Lao satria tsy tia ianao
Raha mba azoko atao
Izao anio dia anio izao
Ny manongotra ny fitiavako
Dia ataoko tsy misy atakandro ry ilay iriko ho avako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-marina-tsy-mba-maty | NY MARINA TSY MBA MATY | Fredy Jaofera | NY MARINA TSY MBA MATY
Tsisy takona izay tsy ho hita
na miafina izay tsy haseho
ka asakasaka izay nahavita
sy sahy nampitondra toreo.
Tsisy takona izay tsy hipoitra
na Marina izay tsy hitranga
ka lozan'izay tsy nitsotra,
rediredin'ireo be kinanga.
Tsisy takona izay tsy hazava
na lova izay tsy ho fantatra
ka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fody | FODY | Fredy Jaofera | FODY
Fody maromaro raha vao maraina
no misiotsioka sy tia manaitra
ny nofo matory mbola malaina
hiatrika adidy mba zary raitra.
Fody maromaro raha vao maraina
no mifanenjika sy mahay mivazo
eny amin'ny rehetra izay lazaina
be bozabozaka sy voninkazo.
Fody maromaro raha vao maraina
no misidintsidina sy toa mis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/saingy-androany | Saingy Androany | RK | Tianao aho nandosiranao
Niantso aho tsy novalianao
Nijery aho nangarihanao
Nakeny aho nosakananao
Nikita aho nahilikao
Saingy androany,
Efa tsy izany tsony
Amin'izao ianao tia ahy
efa diso tara loatra
Amin'izao ianao miantso ahy
Efa tsy afa manoatra
Amin'izao ianao mijery ahy
Banjiniko tsara mintsy
Amin'iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/fitiavana-mahantra | "Fitiavana mahantra" | Ramiadanarivo fetraniaina | Fitiavana tsy vory nofo
Fitiavana tena mahia
Fitiavana tena nilofo
Fitiavana tsy mba nania
Fitiavana tsy misy dikany
Fitiavana tsy misy lanjany
Fitiavana kely tsy hitany
Fitiavana tsy mba taranjany
Fitiavana tsy mba mitoetra
Fitiavana toa zava-poana
Fitiavana tsy ho amboletra
Fitiavana irery ka moana
Fitiav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/namana | Namana | Bob Ramanamiravaka | Ry havana sy namana
Mba manàna fihavanana
Satria isika dia tsy mifanaja
Na manam-boninahitra io na manan-kaja
Ny fihavanana mantsy dia tena sarobidy
Fa n'iza n'iza manam-bola fa tsy misy mahavidy
Izay no antony hirariana soa
Mba hitsimbinan'ny Ray azy koa
Ny olombelona dia nisy nahary
Dia tsy iza izany fa i Za... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ranomasina | RANOMASINA | Fredy Jaofera | RANOMASINA
Ny ranomasina be midadasika
no mampitony sy indro mirary
ka ny eto amin'ity tora-pasika
no mizotra sy toa te haka sary.
Ny ranomasina be mangamanga
no mitondra ny saiko manjeny
ka ny kintana maro mpitranga
no mitaratra ahy eny ho eny.
Ny ranomasina be tsy manonja
no mibitsika foana tsy ho ory
ka m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rova_kely/ianao-no-tara-masoandroko | Ianao no tara masoandroko | Rova_kely | Ianao no tara masoandroko
Mampitsikitsiky ahy mandritry ny androko
Manampy ahy amin'ny soa sy ny tsara
Ary tsy nisasatra nikarakara
Milamina ny saiko raha eo anilanao
Lavitra ny olan'izao tontonlo izao
Faly ny foko rehefa eo antratranao
tofoka fitia atolotrao
Ianao ilay mpanambitamby raha sendra
tomany
sady m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alli/alahelo | alahelo | alli | Ilay fanahy toa very
Very lasa any ho any
Any ho any manirery
Manirery ka tomany
Lasa anefa ne ny saina
Saina zay malahelo lava
Malahelo koa ny aina
Aina very lalandava |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/lamaody | Lamaody | Bob Ramanamiravaka | Fomba fiakanjo toa hafa kely
No hitako nanaovan-dramadimôzely
Manao fitafian'ireo vahiny
Mba hanimbàna ny fitafin'ny fahiny
Lamaody malaza ankehitriny
Ny manaraka ny fivoaran'ny vahiny
Fa satria io no vahaolana hitany fa mety
Na koa hahatonga azy ho vedety
Ny lamaody dia manimba fomba fisainana
Indrindra ny za... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/izany-fiainanao | IZANY FIAINANAO? | ernest2015 | IZANY FIAINANAO?
Ilay safidinao ry foko
no nandratra ny ao anatinao
ilay nokasainao ry saiko
no nanimba ny eritreritrao
Ilay nofihininao ry aiko
no nitondra aretina ho anao
eny!ilay silakao Fanahy
no nandrtindrotika anao
Ilay tovovavy nombanjinina
no nanajamba izany maso
ilay feon'ny malefaka iny
kay nampar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/raozy-poetika | RAOZY POETIKA | ILIMIM JIVISDI | Izao tontolo izao noravahany avokoa
Navelany otazana ny aminy rehetra
Ny hakantony rehetra hatrany anaty fo
Ho porofompitiavana 'lay tsy ahitana fetra
Kanefa dia tsy ho haiko ry raozy poetikako
Ny hioty izany fony amin'ny teny Tiako ianao
F'Andalana ankiray mamonto izato kintako
No Endrim-pitiavana mitoetra anat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/latsaka-anembona | Latsaka an'embona ! | Antsa tononkalo.R | Latsaka an'embona,
Mba ho aiza ny ravina maina,
fa ihintsana hiala amin'ny taho.
Toy izany ny foko,...Velon-taraina,
Latsaka an'embona, saraka anao!
Njary fisangin'ny rivo-mandalo
Rehefa iny fa latsaka teo
saraka an-taho,indrisy!...mimalo
Oh! Manembona ka mitoreo!
Na rivo-mandalo na rivotra miely
dia tonga mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/fandrosoana | Fandrosoana | Bob Ramanamiravaka | Betsaka ny fandrosoana ankehitriny
Raha mihoatra tamin'ny fahiny
Ny mpanambola isany kosa
Manitsakitsaka ireo osa
Maro ny zavatra kasainy
Nefa na miara-monina amin'olona aza tsy hainy
Fa satria misetrasetra loatra
Nefa mbola hanenenana toy ny tsatsakoatra
Maro ireo maniry ny hanam-pifaliana
Tsy tanteraka izan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/fitia-tsy-anjara | FITIA TSY ANJARA | ernest2015 | FITIA TSY ANJARA
Izao vao tena tsapako ry tiko
fa mila avadibadika im-pito
ity lela vao milaza,
milaza ny faniriko
Hay izaho 'lay tsy nisaina
fa tany aminao nantenaina
ka raha vao trotraky ny aina
izao vao be taraina
Hitaraina any amin'iza moa
raha izaho izao rahavako?
raha tsy any aminao
ireo namako sy ire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/malagasy-mivaotra | MALAGASY MIVAOTRA | RK | Ra malagasy,ry malagasy mivoatra
Sao dia tsy mety ny fitraotra
Mivoatra toa manimba tena
Mivoatra toa mihenahena
Maro ireo malagasy toa irony
Maro ireo tsy miteny gasy intsony
Maro ireo maka endrika vahiny
Miheritreritra tsy manan-tsiny
Jereo izato fitafiny sy ny endriny
Tsy fantatra ntsony hoe gasy ve ny reny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/ny-fanetre-tena | Ny fanetren-tena | heritreritro | Ny fanetren-tena anie lesy ry zandry
Tsy hoe faharesena satria kely sandry,
Na fitiavana hangina fa hoe raiki-tahotra
Ka hoe ambaniana dia iny fa miahotra e
Fanajàn-tena lesy izy io zandry a!
Atao fahendrena ny tsy hanenjan-tsandry
Raha toa mbola vita ny fifandeferana
Terena hiserana izay hatezerana
Tsy resak'a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/vavaka | Vavaka | Bob Ramanamiravaka | Ry Jesoa Kristy zokinay
Mba arovy ny taninay
Fa satria mandalo fotoan-tsarotra
Ka mahalasa anay ho voafatotra
Raha ny tebiteby ankehitriny
Dia hafa noho ny tamin'ny fahiny
Ny ankamaroan'ny olona amin'izao fotoana
Dia betsaka ny olona manaonao foana
Ny vahoaka dia efa fadiranovana
Satria tsy misy intsony ny fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raly-panga/misy-toerako-ve | Misy toerako ve? | John acheymeraldo dit (Raly panga) | Injay manganohano irery ao anaty alim-pahanginana ny foko ka tomany,
manahy mafy ny ho very ka dia mila hisy vilana any anaty nofy any,
hay marary zany tia raha tsy fantar'ilay tiana ny fo mitempo ao anatiny ao?
tsy sahy miantso hoe avia fa aleo ihany iaviana,
matahotra aho sao ho lavonao,
fa saingy tsy mbola mety... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/fianarana | Fianarana | Bob Ramanamiravaka | Mianara tsara rankizy
Fa io no lova tena izy
Aza mba amidy na atakalo
Fa sao lasa fahaizana mandalo
Omeko azy ny hafatra
Mba ho lasa tonga lafatra
Mianara dieny mbola malaina
Fa sao ianao dia hiala maina
Raha misy ny olona tena matotra
Miezaha mafy mba tsy ho voafatotra
Ary tohizo hatrany hatrany
Fa ny fiain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/reny | Reny | Bob Ramanamiravaka | Toy ny andro manjombona ireny
No iainako aty rehefa tsy eo i neny
Izy no reny mpizara fitia
Ary tsy tokony ho zimbazimbaina na koa sanatria
Raha ny fitiavako an'i neneiko izay
Dia toy ny afo izay mamaivay
Fa ny fitiavako azy ihany koa
Toa tsy mandry mihitsy fa mifoha
Ny reny dia olona mahatehotia
Fa raha ny fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mora-taminao | MORA TAMINAO | Fredy Jaofera | MORA TAMINAO
Mora taminao no nanafoana teo tokoa
'zay efa tsangambato mafy sy tsy roa ;
mora taminao ka nilaozana avy hatrany
ny fo mbola nitady fitiavana tsy lany.
Mora taminao no namitaka ahy ombieny
rehefa orana nikija no nanakotsa teny ;
mora taminao ka tsy nohenoina intsony
'reo alahelo maro tsy tsapa ho n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/ny-fitepony-foko-sy-ny-sa | **Ny foko sy ny saiko** | Tahina Fabien | Ny foko sy ny saiko
Lasalasa ny fisainana ,
Refa tojo tena tiana,
Irery an-trano mitaraina
Mila anao anala fahanginana
Indro ity foko manirery
Mila anao sakaiza itsapazana
Ilainy foana ianao hiteny
Ireo fitia mba hotazana,
Asa re raha tsapanao
Fa zah toa miaina anaty aizina
Mila anao androtsirotsy
Satria ia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-irery | TSY IRERY | RFE Andria | TSY IRERY
Tsy irery ianao tsy akory
Mbola misy mahatsiaro
Ny alahelonao esory
Ny naman-tia anao dia maro
Mbola io koa, eo akaiky
Ilay tia sady tiana
Aoka izay 'ty manjokaiky
Ka soloy fifaliana
Ny "Saint Valentin" anie e
Andro iray monja ihany
Mbola fotoana marobe
No hianohana any ho any |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tolojanahary-juvence/ry-zazavavy-misaotra-ana | Na ,hono, tsy ho ahy | Daz'art Tolotra | Ry zazavavy! misaotra anao
fa tsy fidiny hoanao izao
izaho koa aza mba nahatsapa
fa ilay fitiavana lalimpaka
dia mety hivadika tomany
sy alahelo tsy hita lany
nef'izaho tsy hamoy fo
rah'hono tsy anjarantsika roa
"...na dia efa tsisy nanantena
aza dia..." ilay fitiavako tsy hihena
sanatria rah'hoe vonoina
fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/reny-8670 | Reny Malagasy | Bob Ramanamiravaka | Reny Malagasy ianao
Mitsangana dieny izao
Ndao atambatra ny hery
Izay misaraka dia ho very
Reny Malagasy avia
Mitsangana hiara-dia
Fa ny tanindrazantsika
MIla anao mba ho tafita
Koa mitsangana andao hiaraka
Ny herintsika ndeha atambatra
Reny môdely sady filamatra
No sady tsy miady no tsy mifandramatra
Ny fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elra/tsy-misy-na-iza | Tsy misy na iza! | Elra | tsy misy na iza ilazako mangina
ny sitrako miafina ato an tratra
tsy misy na iza olona tiana
hanala ny aloka,hanala ny ratra
tsy misy na iza olona tsara
ibitsiako ny vetson ny foko
tsy misy na iza tsy hiazaka ny anjara
hitondra fitsiky,homono toloko
tsy misy na iza,zazavavy mba kanto
tsy misy na iza,fanja hame... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/fandalovana-avokoa | "Fandalovana Avokoa" | ernest2015 | Fandalovana Avokoa
Fandalovana ny fiainana eto antany
Aza atao mampisento
N'inon'inon hiafara
Dia hiafiko hatreto
Alamino re ny saina
Lay tianao andrandraina
Olona nanankinam-po
Voafidy hitondra soa
Araraoty dieny izao
Ny fahatanoranao fa voafetra
Ataovy mendrika ny toetra
Any ho any misy namana
Voazaran'n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elra/tofoka | Tofoka | Elra | tofoka ry foko,
nahoana no ny tongotro?
no terenao haenjika ny alony
tofoka ry foko,
nahoana no ny masoko?
no terenao hijery azy
tofoka ry foko,
nahoana no ny tanako?
no terenao handray ny tanany
tofoka ry foko,
nahoana no ny eritreritro?
no terenao hieritreritra azy!
tofoka ry foko,
nahoana no ny fanahiko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarindria/eritreritra-mifoha | Eritreritra mifoha | Daz'art Tolotra | ilay alina mangina
mangina fatoriana
no mifoha antadidy
ireo tantara sarobidy
ireo lalana nombana
ka nandreraka ny fo
ranomaso izay mazana
eny fifaliana ihany koa
dia tsaroana avokoa
ireo lasako taloha
ary toa omaly ihany
izany rehetra izany
fa mamoha ny taloha
ilay eritreritra mifoha
Tolojanahary Juvence... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarindria/indroa-amby-roapolo-impiry | Indroa amby roapolo impiry??? | Daz'art Tolotra | indroa amby roapolo impy aho
no niezaka nitia
toa very maina,
nandrera-tsaina
ny tenako aza nianahia
indroa amby roapolo impiry aho
no naniry azy, haka vady
nefa nilaozany nafoy
lay fitiavako nifoha
dia nongotany sahady
indro amby roapolo impiry aho
no mbola ho voadona
toa tsy adisoako
ka nandratra foko
i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/ity-misy-tononkalo-hafaha | Lasa | Bob Ramanamiravaka | Ity misy tononkalo hafahafa
Izay hanembonako ny lasa
Dia ny zavatra nihatra omaly
Izay tsy misy mahafalifaly
Ao ireo andro mampahory
Izay andro hisian'ny sorisory
Nefa ao koa ireo andro mahafaly
Ifampizarantsika ny fitia mifamaly
Raha ny fiainana eto an-tany
Tsy maintsy hianjadian'ny tomany
Fa satria vitsy ih... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vao | VAO... | Fredy Jaofera | VAO...
Vao pirina kely eny an-dranomasina
dia efa mihevitra ho manan-kasina,
midedaka ho trozona iray makadiry
nefa dia trondro tsy ilaina firy !
Vao vitsika kely ery amin'ny tany
dia efa manambony sy manambany,
mihambo ny tena ho olona tsara
kanefa ny saina toa maramara.
Vao ravina kely eny amin'ny hazo
dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/fitiavana | Fitiavana | Bob Ramanamiravaka | Indray andro izay
Nisy vehivavy anankiray
Izay tena mahafatifaty
Ary koa mambabo ny ao anaty
Dia nandeha ity tantara
Isika roa mbola niaraka tsara
Nony afaka herintaona
Isika roa tsy afaka nihaona
Rehefa mifanena eny an-dalana
Isika roa samy maka sisin-dalana
Fa indrindra raha ianao no mijery
Mahatalanjona a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ratsimandrava | RATSIMANDRAVA | Fredy Jaofera | RATSIMANDRAVA
( Ho fahatsiarovana Ny Colonel Richard RATSIMANDRAVA voatifitra teo Ambohijatovo ny Talata 11 Febroary 1975 tamin'ny valo ora alina )
Iza ange no nanam-po
raha ambara mazava
fa ny tifitra no hanjo
an-dRatsimandrava ?
Iza ange no nahalala
fa eo Ambohijatovo
handriaka, hanadala
ny rà sy nisy vovo ?... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/t.d.a/ilay-raozy-mena | Ilay raozy mena | T.D.A | inty ilay raozy mena,
ho marim-panekena,
Fa na maro aza no jerena,
dia ianao no tiako homena,
Ianao no hany vazy,
Hametrahako azy,
Fa na betsaka mitady
aza...tsy hanitsahako voady,
Inty ilay voninkazo,
tsy dia misy tsilo,
Tsy maty na malazo,
ka raiso dia fikiro |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/iarivo-ny-imerina | IARIVO NY IMERINA | RK | Indro aho tonga manoratra
Nanoratra aho ho anareo
Niainga ny tanako mba hanoratra
Mba tsy hampitoloko sy toreo
Malagasy aho...malagasy ianao
Mitovy iray sy reny
mba hampifaly anao
Ny fonenako dia eto Madagasikara
Tanana mahafinaritra
Firenena tsara tsy mba maramara
Tena Tiako ianao ry Iarivo
Maro laotra ireo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/namono-tena | Namono Tena | RK | Maty ilay tovolahy namono tena
Maro ireo olona nahonena
Maty nony fitiavana
Voafitaka ny fitiavana
Ry tovolahy tanora fanahy
voasarika ianao hamono-tena
Voasarika ianao nony fanam-panahy
Ny fanahinao ve novonjena
Ireo olona izay nahita nilaza
Fa nanimba tena ianao
Tampoka teo dia nalaza
Ny momba ny tantarana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/t.d.a/hambom-po | hambom-po | T.D.A | Ditsok'io ry se a, fa aza atao mahataitra,
Tojoko eto mantsy fa ny jofo aty tsy laitra,
Aza dia manahy fa izaho tsy haninona,
Iny sarin-drafilahy iny aoka tsy hampirimina.
Ny tena hantondiako..!ny hijery ireto zanako,
Fa tsy hitsidika ny reniny, fahavaloko malalako,
Ireto sombin'ny aiko, no hitempoin'ny foko,
Fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/mba-naminavina-ny-hoavy-n | Mba naminavina ny hoavy n | harylovah | Mba naminavina ny hoavy ny foko
Mba nanembonembona fiainana tony
Mba te hisalotra izay hafa loko
Mba te hanakatra tanjona ambony
De niezaka mafy nanao ny azo atao
Tsy nitsitsy aina sy niaritra nihafy
Nahafoy mihitsy ireo kilalao
Nisedra ny onjan'ireo ady mafy...
Rehefa tomorina anefa ny lasa
Toa mananihany ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarindria/sarangam-pitia-misy-tia | Sarangam-pitia | Daz'art Tolotra | Misy tia fa tsy tiana
Ny mitia tsy raharahina
Ao ny tiavina fa tsy mijery
Be koa ny mitia irery
Any indray ireo mpifankatia
Zay tsy navela hiaradia
Tsy nohon'ny antony ahoana
Fa mbola kely tsy ampy taona
Fa misy tia mifankatia
tsy tafaraka satria
nohon'ny fombafoman-tany:
saranga ambony sy ambany
eny misy i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranir-tsioharana/tiako-ianao | Tiako ianao! | Ranir-tsioharana | Raha mba fantatrao ry i kalakely
Fa ianao dia toa ny anjely
Ilay nahababo ahy hatrin'ny ela
Ny anaranao tsy afaka ao an-dela
Raha mba fantatrao ry kala
fa ny foko dia lasa adala
Ianao no mendrika antsoina
ilay hoe malala
O!ry kala kely tia a!
Izao tena potika amin-dy
Ilay fitia toa hafaty
izay miraikitra ao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andy-rebabe/fa-inona-ny-sorakanto- | FA INONA NY SORAKANTO ? | Andy Rebabe | FA INONA NY SORAKANTO ?
Ny Soratra akory,
Tsy hoe kitambatambatry ny teny hafahafa
tsy takatra takarina,
na torapo sendaotra mampijafajafa
ny ratra nofongarina.
Ny Soratra tsy teny alefalefa fotsiny
tsy misy iantefany
ka toy ny hazo boboka vao ahontsonkontsona
dia rara-boa malàny !
Ny Soratra ?
Fa fanahy zar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/enga-hifanitsy | ENGA HIFANITSY | ILIMIM JIVISDI | Midoboka mafy ny Foko Malala !
Mitempo tsy miato mila hamaky vala
Ny ventson' ny foko manonja mitraotra
Topazan- toloko ka tsy afa manoatra
Mba faniriako raha toa sitrakao !
Tiako dia tiako raha toa azo atao
Ny hiombona adala, hiara-dia
Hizara hasambarana, hiombom-pitia
Koa enga hifanitsy, ny Fo hifandray
K'i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/fiovam-po | FIOVAM-PO | ILIMIM JIVISDI | Nalahelo ny foko
Ka feno toloko
Nahatsapa ahiahy
Toa niova 'lay loko
Izay tena tsy foiko
Ho ratsy fanahy
Fa naninona aho
No nanohy ny fanao
Hono ho' aho lehiretsy ?
Efa hita izao
Fa ratsy ny atao
Dia lazaina fa mety !?
Ry Ray ao ambony
Miangavy atokòny
Eo ambony masoandro
Hiova ho tony
Ny foko milony
H... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/efa-fantatrao | EFA FANTATRAO | jyno | Malala a ! Tsaroan-dry ve ireo oroka nomeko?
Nifanaovantsika mantsy e! ‘Zaho koa toa tia tena!
Ny lanjan’izy iny tsy nihena mihintsy hatreto
Tsy mahavidy azy ny bolongam-bolamena
Ny masonao mibanjina ahy: Tsiambaratelo no niampita
Ny bitsikao malefadefaka: Maniteraka ny fo!
‘Reo safosafo nifanaovana: fitiavana ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/fitia | Fitia | RK | Indro ny maraina-nanahary
Miposaka ny masoandro nataon-Janahary
Indro ny masoandro
Manazava isan'andro
Indro ny vonin-kazo
mijoro tsy mba malazo
Indro ny Volana
hampisy dia-volana
Indro ny fitia
miorina ho doria |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/faingom-panirina | FAINGOM-PA|NIRINA| | ILIMIM JIVISDI | Misy tsiky mamy toa tsapako miserana ao anaty kalonao
Misy hevi-dalina mifono mistery, tsy haiko rah' tsikaritrao
Misy koa talenta voavoatra hatry ny ela, mianoka hasambarana
Misy bitsibitsika tsy manampahataperana midongy famantarana
Misy Voambolana noentinao nambabo, angolangolan-teny
Misy hazavana, tsapako mipo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/-eny-sa-tsia- | ! ENY sa TSIA ? | ILIMIM JIVISDI | Mangovitra ny foko
Somariahan-tebiteby,
Fa noho ny rediredy
Rediredin' ny fitia
Dia iharan' ny toloko.
Ö ry foko,
ô ry saiko,
Tena tsy haiko, tena tsy haiko...
Na ho ENY na ho TSIA !
Eny, ry fitia!
"Ny redonao no andrasako" |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/....hafatra | Ny HAFANY Tamiko | ILIMIM JIVISDI | ... Enga anie ka tsy hisy diso, izao teneniko izao
F' efa mba natao tsianjery, vao aborako aminao
Fa: "misy olona any ho any, lasa saina eny ambony"
Tsy mba sahy milaza akory, anefa babonao ny fony
Raha misy ora izay, tsy hanembonany an-dry
Dia ny anaranao hatrany no voatonony satria
Mandoro mafy azy, 'lay fibanj... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/tsy-misy-mpitia | Tsy misy mpitia | Nofy2 | Iza moa no mba tia ahy,ka naniry ny hiara-dia
Hiaraka amiko tokoa,hifanampy,hifankatia
Izaho izay tovovavy tsotra,tsy dia manao ahoana loatra
Tsy mba be diplaoma, tsy mba olona mivoatra
Efa niezaka nisondrotra,nitovitovy tamin’ny hafa
Tsy nisy nefa mba niraika,tsy nisy akory mba nikasa
Izaho izay tsy be lamaody a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/ho-porofom-pitiavako | Ho POROFOM-PITIAVAKO | ILIMIM JIVISDI | Semban-drahona matevina, ilay andro vao nitaratra
Tselatra sy kotroka, nahatapak' herinaratra
Nandify ny hazavana, kitro-kaizina matevina
Gina ny tontolo, toa foana zary levona
Na toa inona ny dezaky ny tany foan' ny lalako
Havoana lava tendro, izay mikiry tsy handehanako
Tsy hahafoana na oviana fikasana anatiko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elra/novonoiko-ny-alaheloko-no | novonoiko ny alaheloko
no | Elra | novonoiko ny alaheloko
nokoboniko hatrizay
nariako reo tsiambarateloko
zay niarahatsika hatramizay
na misy aza ny ratra po
tsy hanozona aho akory
maniry anao ho afa-po
tsy ho ambinin java mahory
hangina aho fa voa
tsy hamoifo sanatria
fa hitsabo zato fo
noratrainao ry fitia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/lay-tao-anaty-nofy | 'LAY TAO ANATY NOFY | ILIMIM JIVISDI | Aza ahemotrao intsony, ny figadon' ny hafaliako
Aza ahemotrao akory, na ny ora tena tiako
Tao anaty : " nofiko iny ".
Eny ho' aho ankehitriny,
Raha indro hamadibadika, ny pejy hatramin' ny farany
Dia aza homena tsiny,
Raha indro hipopopopo, eo iloan' ny varavarany
Ity foko virijiny !!!
Dia aza hitsoahinao.
Fan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/vehivavy-fitaovana-ihany | VEHIVAVY FITAOVANA IHANY | ernest2015 | VEHIVAVY FITAOVANA IHANY
Efa hatrany ampiandohana
ka hatrany amin'ny fiafarana
raha vao nisy koa ny tany
vehivavy fitaovana ihany
Raha vao nisy i Adama
nasaina izy nitady akama
nasaina izy nifidy
iray tamin'ireo biby
Nefa tsisy nety aminy
na ny iray teo aminy
fa ny mba tiany ho azy
dia olombelona toa azy
K... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/aza-ela | AZA ELA | RFE Andria | AZA ELA
Tongava haingana akia
F’izaho malahelo an-dry
Manembonembona mazàna
Ny ranomasoko tsy tana
Isan’andro manimanina
Mila tsy hahatelin-kanina
Ny lanitra avy no manjombona
Mahita ahy mikombonkombona
Mangatsiaka aho amin’ny alina
Sady koa misento lalina
Hatrany anaty nofiko avy
No efa mila hampanavy…
Az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/aza-omena-ray-o-fant | AZA OMENA
Ray o !
Fant | harylovah | AZA OMENA
Ray o !
Fantatrao ny faniriako
Fantatrao izay mba tiako
Fa izao, ry Ray tsitoha
Aza avela hahantra aho na omena harena koa...
Sao ho sedra mafy ho ahy ny miaina tsy fisiana
Sao hiteny ratsy aho raha mizaka fahoriana
Sao ho very ilay finoako, hany hery ifaharako
Dia ho levona avokoa izay rehetra nisas... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/antsanny-manina | Antsan'ny manina ! | Antsa tononkalo.R | Miantefa ankoatrahoatra
Iny tara-bolana iny,
Mampisento ny olo-manina...
Ny fanahy misendaotra
Mahatsiaro ny fisiany,
Eto ivelan'ny aro fanina...
Ny sentoko misoko!
Toa mitatitra impiry?
Ny isan'ny elanelantany
Misy ny eto sy any aminy...
Feno azy ny embom-poko
Ka manomboka mikiry,
Mandefa ny vinany
Ho eny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/mangiangina | Mangingina | Tsilaitra | Ho tiaviko mangina
Antsoiko hoe “tiana”
Na tiany na tsy tiany
Jineriko mazàna
Na an-trano na am-piasana
Ireo soratra sy sariny
Ho nofisiko ombieny
Ny tsikin’ny tarehiny
Sy ny teny ‘zay fanaony
Voarakitro ho sary
Ao am-poko tsy ho hita
Toy ny zavatra efa vita |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/manina-ny-fitia | Manina ny fitia | RK | Injao aho manimanina aty
mahatsiaro nilaozam-pitia
Aty an-tanin'olona aty an-dakira
Tsisy ato fa velombelon-kira
Mahatsiaro ireo fanao taloha
Mifam-pisafosafo mifampian-kin-doha
Zao irery sisa no miaina
Ny andro rehetra mampalaina
Fa very e! tena very
manina, mangina irery
Manina irery tsy misi-pitia
Manina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/tiko-loatra-ianao | TIKO LOATRA IANAO
Avelao | ernest2015 | TIKO LOATRA IANAO
Avelao aho maba hitia
hitia anao tsy hisalsala
hitia anao, hankafy
hitia anao ry malala
Nefa toa tsy nosaininao akory
izany faniriko
navelanao ho ngolingoly
ity foko ry olon-tiko
Avelao aho ho'aho
hitia ano mangina
hitia anao tsy ankiato
anilanao ry olon-tina
Efa ela ihany izay
nahalalan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-fiainana-eto | NY FIAINANA ETO... | RFE Andria | NY FIAINANA ETO...
Maina ny ahitra, ny voniny malazo
Toy ny fiainana eto: mampihazohazo
Mihodina, mihodina dia mikodia
Lasa ambony ambany ny fiainana ety
Androany mampifaly, vony iray mamelana
Ny ampitso mampijaly irony elanelana
Ny fiainana eto, mahavaka saina
Dimbiasan’ali-mainty hatrany ny maraina
Koa ny fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/lazao-fa-tia | LAZAO FA TIA
Efa ela iha | ernest2015 | LAZAO FA TIA
Efa ela ihany angamba ianao izay nampiandry
hoe: "Rahampitso, rahampitso izaho mamaly"
nefa ankehitriny, toa tsy azoko hoe: Ahoana?
toa lasa fialantsiny 'lay hoe: "Valiko eo foana..."
hatraiza moa ny fetran'ny fanomezanao fotoana?
sa niandry aho dia miandry, hiandry anao foana?
ekeko hoe: Izaho tia,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/tiako-iny-tovovavy | Tiako iny Tovovavy | RK | Indro nisy tovovavy
Teo amoron-drano
Ny endriny miramirana
Ny bikany koa toa kanto
Fa resina izaho tena raiki-pitia
Ny faniriko dia hiresaka
Mandrakizay doria
Ry tovovavy tanora fanahy
Tiako raha mba ianao no tia ahy
Nefa tsy hazo terena ny fitia
mandrary fiatsaram-belatsihy
Misy hery tsy azo resena
ato an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bosco/lozanao-ry-foko | LOZANAO RY FOKO | Bosco | Lozanao ry foko,
Fa mbola sahy mitia,
Mbola sahy ny hiara-dia
Sa mbola mahazaka,
Sa tsy ampy anao ny lasa?
Lozanao ry foko
Fa mbola tia ihany
Angaha ianao io?
Mbola vonona hitomany?
Eh!!! tena lozanao,
Fa isan'andro vak' izao,
Toa tsy mba mety lao,
Ataon'ny hafa kilalao
Lozanao ry foko!
Loza tena loza,
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/da-rola/manova-no-mety | MANOVA NO METY | da-rola | MANOVA NO METY
Tena tiako tokoa izay malalako izay,
Izy hono anie ka tia mandrakizay e!
Any lavitra any izy tsy aiko adinoina,
Ny fitiavany kosa tsy aiko nonoina.
Nandalo ny andro, ny volana, ny taona
Tsy mba nifankahita na koa mba niaona,
Ho sanatry ve ka hifandao?
Tsia! Tsy mino ny saiko satria tiako ianao.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/jesoa-kristy | JESOA KRISTY | Fredy Jaofera | JESOA KRISTY
Jesoa Kristy
no Tompo ato am-poko
hajaiko satria
tsy manary rehefa antsoiko.
Jesoa Kristy
no anjara Fiadanako
mampiriaria
sy harena mba ananako.
Jesoa Kristy
no Hazavana hafa kely
mitsilo ny dia
raha mafy izay mamely.
Jesoa Kristy
no Fiainana eto marina
ka raha mania,
mbola afaka hampiarina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/simba-i-madagasikara | Simba i MADAGASIKARA | RK | Simba i Gasikara
Ilay tany manan-tantara
Very ny maha Gasy
Lasa niova ireo Malagasy
Fa nahona re no miova isika
Nahona tsy mba Paradisa
Mitaraina i Madagasikara
Ilay nahajaina sy voa ahasina tsara
Mitaraina ity firenena,fa marary
Ka ireo vahoaka lasa mijaly
Ny mpitondra fanjakana
Toa tsy mivaky loha
Fa vari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-ho-avy | "Ny ho avy" | Ramiadanarivo fetraniaina | Asa hanahoana ny ho avy Rasena?
Fa dia maizim-pito ny androko omaly
Sy toa nanjakan'ny fanosihosena
Nantsoiko ny tsiaro fa tsy mba namaly
Asa hanahoana ny ho avy Rasena?
F'izaho nangarihan'ny vintako irony
Izay mba natao toa faneriterena
Ka zary mampisy ny fo tsy mitony
Asa hanahoana ny ho avy Rasena?
Fa toa m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/fitia-adala | KALO IRAY | RK | Ito misy kalo Miendrika tononkalo
Mety raha isika roa
no hamaky azy aloha
De ny fahitako ny endrikao
Mirana tsy misy toy izaho
Toa anjely mahafinaritra
Nidina avy any andanitra
Naninona no nidona taty
Ilay fitia tsy ho doria
Naninona no izaho no niatefany
Toa lasa vazivazy izany
Aza matahotra ry malala
Fa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-mpivaro-tena | "Ny mpivaro-tena" | Ramiadanarivo fetraniaina | Ny hany safidin'ny mpivaro-tena
Dia ny hijorojoro miandry ny lahy
Fa anontaniana sy jerijerena
Ny hahazo vola no atao mampanahy
Fa amin'ireny dia misy mitady
Asa madio natao hivelomana
Mampiharihary ny mamoafady
Raha tonga ny hariva dia rafitra miomana
Tsy manan-tsafidy ny mpivaro-tena
Ka ny manaja tena dia in... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.