url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/toky-fitia
toky fitia
Nat'urel
-Malala oh!?Za resinao tanteraka Eken ny sainao ve raha isika ifampiteraka -Eny re e!Ekeko avokoa ny momba anao rehetra Ka fitiavana mafana izay no tarigetra! Fa ianao aloha sao mba mananiany? -Tena tia re aho e,fitia lavitry ny tomany Fa tsikitsiky lalandava Ny ho soratako amin ny tava -Dia matoky ary ity foko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/misy-izy-ireny
misy izy ireny
Nat'urel
Misy izy ireny fitiavana tsara.Lafatra tokoa! Misy izy ireny fitia kilalao mandratra ny fo Fa misy izy ireny fitia tara voalohany. Misosa mora sy mandeha hoazy fa tsy misy ny tohany. Fa rehefa aty afara lany ny mamy! Na mafy toa vato aza dia ho rava ihany. Fa misy ihany koa! Mody hoe tena soa! Fa maningotra ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/voninkazo-ity-voninkaz
"Voninkazo"
Ramiadanarivo fetraniaina
"Voninkazo" Ity voninkazo Dia naniry foana Manda ny halazo F'izy nefa noana Voninkazo iray misaona Ka dia nanganohano Efa ho aman-taona Tsy nolalovan-drano Tsy mety halazo mihitsy Fa mamelana hatrany Ny toa azy anie tsy misy F'izay dia tokana an-tany Fa mahagaga re Ity voninkazo ity Tsy rarahiana ve ? F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/tanga-hifona
Tonga hifona
raozy mainty
Angola mba tao aminy sy toetra iray nananany Ny mba matsapa tena raha diso izany lalany Fa izy hono nofo ka mba malaelo sy tohana ao ampo Ka raha sendra misy diso dia mba mifona aloha Hariva tahaka izao Tonga izy nandondona,fa ory hono ny fony Tonga mba hifona fa tsy hainy nohadinoana Ireo vita rehetra,ka tiany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tezitra
TEZITRA...
RFE Andria
TEZITRA... Ny kotroka mirefotra Ny varatra mipoaka Ny lanitra mitsefotra Mitrero-misafoaka Masiaka ny tontolo Andrao tsy avy miaina Ny valiny bontolo Noho 'reo tsy misaina Doroy ihany anie Ny ala sy tanety Dia ho hita sy ho re Fa ho avy ny tsy mety Ary dia tanteso Ny fahatezerany Arahin-datsa sy eso F'i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina/nofinofy
nofinofy
aina
feno alaelo sy toreo toa botry anaty rano lalina tsy ho tafavoka na raha tsisy amarina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/tohizo-ny-lalana
tohizo ny lalana
njaf
Nefa diso ianao Fa raha mbola misy fery Tsy adinonao ny lasa Raha mbola misy olatra tsy adino ilay nandratra raha mbola misy masoandro tsy ho foananao ny aloka fa ny mety indrindra ilay efa natombokao tohizana ny lalana resena izay mibahana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/aza-manadino
aza manadino
Nat'urel
Any ianao tsy hitako Any lavitra any Mampisinda ny tomany Nefa lavitra tsy hitako Aza manadino ry malala Fa sanatria raha hoe hiala Fa ny voady izay natao Tsy rendrika atramin izao Ka na any lavitra any Dia aza mitomany Fa ny fo mifanakaiky! Dia dia efa nifanaiky Ka ny elanelan-tany tsy haharava Ny zavona ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/tsy-anjara
tsy anjara
Nat'urel
Efa niezaka nitia aho Nefa rava fa tsy haiko Fa izaho no tsy anjaranao Dia mionona ny saiko. Tsy ditrako angamba! Tsy hadalako ihany koa. Fa ilay fitiavako tsy jamba. Fa natory ka nifoha. Dia niantsampy tany ankafa! Ka nanadino anao tsinahy. Ka ny anaranao voafafa Fa nosoloko hafa indray. Dia aza homena tsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mitaraina-ny-tontolo-iainana
MITARAINA NY TONTOLO IAINANA
RFE Andria
MITARAINA NY TONTOLO IAINANA Mitaraina ny tontolo, ny habakabaka eny ambony Migorasy tsotra izao tsy hiaro antsika intsony F'efa feno ny kapoaka, mitobaka ny tafahoatra Migorodana ny rano, ny maripàna koa mitroatra Mitaraina ny tontolo, ny tany injao fa mitoreo Feno loto isan-karazany dia midrikina fa leo Nabori...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-maminirina/injao-fa-midona-ny-voaloh
injao fa midona ny voaloh
Zo-Maminirina
injao fa midona ny voalohan’orana anaty somambin’ny volana tsinana, ny nofin’ny foko no mangorangorana, mahatsiaro ireo dify eny ankodimirana. ny atifanahiko manangan-torana, mitebiteby amin’izay tsy vita, ny fiainana mihitsy no tsy afa-patorana, izay fitoniana tsy mety ho hita, ... miakatra ety an-tanàna ny ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/gasikarako
"Gasikarako"
Ramiadanarivo fetraniaina
-Nilatsahan'ny tavoniko Ity anarana ho tononiko Dia ny atao hoe tanindrazana Izay tany iray nahatongavana ......Ry gasikarako malalako Tany iray izay nipoirako Nampisy izato fihodirako Tany iray izay niandohako nampisy ireny fahalalako ......Ry gasikarako malalako Ry tany iray mamin'ny aiko Manan-kasina,lala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/na-inona
NA INONA
njaf
Na inona ambara Na inona hanginana Dia isika roa tsy hafa Fa misy rohy iankinana Na inona tenenina Na inona hafenina Dia isika hifanampy Fa tsy hifampimenomenona Na inona ho lazaina Na koa tsy ho tantaraina Dia isika roa tsy hisaraka Fa hifaningotra aina Na inona na inona Iarahantsika miaina Na inona na z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/babo
Babo
Ramiadanarivo fetraniaina
-Endrey ny toa maro loko Ny endrim-pitiavako Fa babonao ny foko Mba marina Rahavako -Tafaray samy tia Eny izaho sy ianao Ilay ato an-kavia Dia mitempo ho anao -Avia ange rahavako Manantona ahy Avia ry fiantsampazako Sy andrin'ny fanahy -Fa hambarako aminao Ilay teny mamy iray Dia ny hoe tiko ianao Filaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasinasariaka/i-boto-adala
i boto adala
hasina=sariaka
raha mbola valalanina sy trotraka, ity madama kely, dia indro tovolahy nihoso-potaka, mitsiky toa anjely nijoro tanoloana nijery tsy nipì, fijery mahonena, tsy niloa-bolana na nikarajia, fa nanganehana taitra razazavavy nahita ity bandy, sady nalahelo, kanefa teo indrindra no nanatsotra sandry, nitrokatroka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/voninkazo
Voninkazo
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ilay fitiavana anao ato am-poko, izay tsy hihofo,tsy hiova loko, na andro maina tsy halazo, kolokoloina satria voninkazo! Voninkazom-pifaliana, izany ilay izy r'ilay tiana! tsy hamidy tsy atakalo, sarobidy hitoetra fa tsy handalo! Tsy mba ho faty, na sanatria,ho karakaina tondrahako hatrany anaty, ilay vonin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fikasana-vaovao
FIKASANA VAOVAO
RFE Andria
FIKASANA VAOVAO Aza mampahory saina Amin-java-tsy tanteraka Aza dia miferinaina Amin-java-tsy ho teraka Aoka hionona ny fo Hanadino irony lasa Ka hibanjina any aloha Sy hanova ireo kinasa Dia ankino amin’ny Ray Ireo fikasana vaovao Fa Izy irery no mahay Izay hahasambatra anao Ny vorona aza anie ahiany Sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasina-habakabaka/sariaka-tsy-foiko
SARIAKA TSY FOIKO
hasina habakabaka
sariaka,na misy aza ireny rehetra ireny mbola haveriko ombieny fa tia anao foana aho ka sanatria ny hoe handao/na ady mafy aza no atrehana eto aza mitomany na koa misento fa mitraka lalandava satria ny olana tsy maintsy hisava/ekeko hoe nisy ireny olana ireny saingy aza kivy akia ry neny izaho tsy ho aiza akory fa eto ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/fo-maratra
Fo Maratra
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Fendrofendro sisa reko,tao anaty foko tao. Ontsa nefa ahoana f'zay no tianao! maratra mafy ny ao anaty satria lasa ianao! anjara sa safidy raha toa aho nitia anao! Reko zany lefom-pohy natsatokao ny foko, antso vonjy maro no nodradradradraiko sy nantsoiko! tena mafy sy mangidy no nasetrinao izany, ranomaso sy to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/3r/embon
EMBON
3R
Maka toerana mangina No mba takatry ny saiko Rehefa injay mamely mafy Ny alaheloko ny tiako. Tava feno fahoriana No mikitika ny aiko Toa misompatra mibaiko Ilay masoandrom-pifaliako. Dia toloko lalandava No fiainako isan’ando Ny mamisavisa anao No haiko tsy mba mampalaina Ary ranomaso an-tava No mba vatsik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/nandrora-mitsilany
NANDRORA MIANTSILANY
RFE Andria
NANDRORA MIANTSILANY Manevokevoka izany hafanana Mila handoro tsy mahatamana Izany no vokatry ny hadalana Ny tontolo iainana no nosimbaina Ny soson’ôzônina lasa manify Ny dion’ny rivotra lasa nidify Isika no zary toa mitraky nify Tsy mahazo aina fa miampifimpify Iza no ndeha hotsiniana amin’izany Rangory foto...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ilay-tiako
Ilay Tiako
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ny androko nihamaloka,ny foko te hatory, nanjavona toa aloka tsy hitako akory, ilay olon-tiako indrindra,nijojo avy toa erika. Ny foko mitomany tsy mitsaha-mierika! ilay sarotra fafindra no vao maika nanavandra, ngoly ny ao anatiko ka naleoko niandrandra ny lanitra! Hampivaly ny fivavako, ny fitiavanao ry Voahar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-maminirina/ranonampango
Ranon’ampango
Zo-Maminirina
Matetika misy ny sarotra atelina Saingy tsy maintsy mijoro sy miatrika, Na rano mangitsy aza, mahadomelina Na aza milentika mafy ny fantsika. Isika dia tsy mba sakaizan’ny kivy Ka hoe hitanondrika anilan’ny sarotra, Atao am-pisainana ny kiribiby, Tsy atao amboletra ihany koa ny adivarotra Isika tsy hanaiky ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasinasariaka/lokalokam_pitiavana
lokalokam_pitiavana
hasina=sariaka
tiako ianw tiako ianw hoy ianw hatramzay hifanaj isik roa hifankati mandrakzay rew loka2 s n toky de nambork avokoa mb isian lay fitia sanatri kitoatoa de notanterahin av zn k d tn nifand1 lay fitia anie r tiak io n tn namp1 nifampzar zay mb nis s fitiavan olon_droa toa izn n nirian fon isik vw nia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasinasariaka/fahatsiarovana-ani-felicien-rakotomalala
fahatsiarovana an'i felicien rakotomalala
hasina=sariaka
kopi kole rakotovao , vao nipoitra dia nandao , nahonena anie izany , satria tototry ny tany / nihetsika ny pompie , mba hisava ilay tany be , miaramila sy vazaha , samy tonga mba hizaha / nitomany ny vahoaka , alahelo no nivoaka , ilay mpanakanto vao niandoha , no natory tsy nifoha / dia hipetraka ho tantara , i felic...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/dada-sy-neny
**DADA SY NENY**
Tahina Fabien
I Dadako,dadako ihany I neny i mamiko hatrany Ny Fitiavan'ireo no tsy mety lany Ka valibabena no havaliko izany Faly aho fa manana an'izy roa Izay mifamatotra manampy ahy foana Dia ilay nivoady fa lamban'akoho Ka nikolokolo ahy mandavataona Tsaroako i Neny ilay nanafosafo Miampy ilay teny malefaka kely Hoe ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/misaona
MISAONA
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Rehefa maty ato am-poko, ilay fitiavana fahiny! dia hisaona aho,hitoloko, f'aza omena tsiny! Misaona,mangina ny rehetra! tsy hifaly intsony, satria tsy mamam-petra, ireo fijaliana ato am-po zay ts'inoany! Tsy hisy hino, satria efa maty lay niangarana! izay mahita manadino, raha matsiaro anefa mialangalana! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ny-taloha-sy-ankehitriny
Ny taloha sy ankehitriny!
Nofy2
Sangisangy ilay fitia tamin’ny mbola vao niandoha Ka noheverina fa ho fohy izay no masaka ao an-doha Kanjo rehefa nihanandeha, nihanandroso ny fotoana Nihamatotra tsy moramora, satry hifankahita foana Tamin’ny izany ny hatsirony toa natsatsotsatso ery Fa ankehitriny kosa mamy izany raha fitia Raha taloha toa satr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/madagasikara
MADAGASIKARA
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Madagasikarako! ilay nomena ho ahy ho fananako, nanombohana sy hiafaran'ny tantarako, sy hapetrako ho lovan'ny taranako! Eny,tanindrazako! tany nihaviako! malagasy,ianareo no havako! hanoratako ny fitiavako! Ry malagasy namana! na any andrefana na antsinanana! mpihavana isika,mifandraisa tanana! ndao iray,na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tavela-ilay-sarivato
TAVELA ILAY SARIVATO!
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
-Raha nitia aho,eny nitia! tsy mba naharitra ela! satria nangatsiaka ilay fitia, ka sarivato sisa no hany tavela! -Tavela tato anaty, tsy hay na velona na maty! satria tavela tsy ho fantatra intsony! tsy hisy handre ny fitempon'ity fony! -Fa satria sarivato, no nidînà tato am-pasana! dia mitamberina tsy mihat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/onjanny-fo
ONJAN'NY FO
VOLAFIHA
Nisavaona ambony Nidoboka mafy Tsy nety ho tony Ilay onja ato anaty Ireo tsiahy mafonja Namaky barazy K’indreny ireo onja Nisandratra ho azy. Nisandratra lava Nihoatra tamboho Nanorika an-tava Ilay onjan’ny fo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/ny-anao-sy-ny-ahy
NY ANAO SY NY AHY
VOLAFIHA
zay tianao no tiako Ny irinao no iriko. Izay maminao no mamiko, Ny akaninao no ho akaniko. Izay fiainanao no ho fiainako Ny Ny Ainanao no Ny Ainako Izay andrasanao no andrasako; Ny fasanao no ho fasako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/izaho-no-izao
IZAHO NO IZAO
VOLAFIHA
Tamin’ny androm-pahazazako Hatramin’izay no nahatsapako F’izaho no ary sy afa-miaina D’ianao no nanisy fofon’aina Amin’ity hatanorako Mainka tena hahatsapako F’izaho no mbola tafajoro D’ Ianao no tsy namela hikoro Dia amin’ny androm-pahanterako Ny aorian’izay tsy ferako Ianao no mbola antenaiko Ianao Jesosy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/isaky
ISAKY
VOLAFIHA
Isaka maraina Raha vao mifoha Tsaroako foana ianao Ny adiko an-tsaina, Ny hasambaram-po Miatrika aminao. Isaky ny atoando Eny na dia miasa Tadidiko ihany ianao Ny iry ny “any andro…” Ny rakitry ny lasa Natokako ho anao Isaky ny alina Mialoha ny hatoriako Tsy hadino mihitsy ianao Ny sentom-poko lalina, N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/any-izy
ANY IZY
VOLAFIHA
Raha lasana tsy nahy Ilay eritreritrao Niriotra hanivatsiva Dia hiventso ho ahy ‘Reo nofinofinao Amin’ny feo iva Mainka raha izany Angamba aho handresy ankaso rehefa Lasana ambiroa Angamba inoako ihany ‘Lay lavitry ny maso nefa Akaikin’ilay fo. Raha toa ianao variana Ilay sedra nahatsikaritra ‘Reo loko ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/ranomaso-ritra
RANOMASO RITRA
VOLAFIHA
Lany nandroahako ny setra sy ny ankaso Ny vongan-dranomasoko Lany nanondrahako ilay voninkazonao Izay kely sisa tao. Tsy mba notsitsiko fa natosako daholo Mba hamelom-bolo Ilay raozinkelintsika tsy mety velon’aina Mbola tsy antenaina Izao anefa indrisy Teren’ny zava-misy Ilay afon’ny fitiavako mirehitra ato a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/matokia
MATOKIA
VOLAFIHA
Na dia lavitra aza ianao Matokia fa ato am-poko; Ny elanelana amin’izao Matokia tsy hanadinoako. Ny fitiavanao nitoetra Matokia fa ho koloiko Tiako mihoatra ny rehetra Matokia fa tsy ho soloiko. Ny fitiavako ihany koa Matokia fa anao irery Sanatria ny hivaky roa Matokia tsy asiko ho very. Mety hisedra zava-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/ekeo
EKEO
VOLAFIHA
Ekeo hoeeee!!! Izao no soratra efa nisy Tsy azontsika ahitsy Tsy azontsika lavina Tsy maintsy ankatoavina. Ekeo f’izao no didy Ekeo na dia mangidy Ekeo fa fitondrany Ekeo f’aza tomany Ekeo f’izao no erany Ekeo fa fiheverany Ekeo fa mahasoa Ekeo amin’ny fo. Meteza tsy hidoika Na dia tsy sitratsika Eny hoy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/ora-toy-izao
ORA TOY IZAO
VOLAFIHA
Amin’ny ora toy izao No anatambarako ny ventsoko Alefako hiampita Manko vita izay natao Dia misosoka ny sentoko Alahelo anao, antsika. Amin’ny ora toy izao Fahanginan’ny tontolo, Ny rehetra miala sasatra Fa izaho mahatsiaro anao Sento mifanolosolo, Nofy iangaliana fatratra. Amin’ny ora toy izao Angatahako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/raki-tsarobidy
RAKI-TSAROBIDY
VOLAFIHA
Harindrako ho soratra ny lasantsika rehetra. Harindrako fa manko ny soratra mitoetra. Hampahatsiahy anao izay niainantsika; Ny tao am-poko tao na ory na sariaka. 2- Tsaroako ny niantomboan’ny finamanantsika Ianao nijery ahy tamin’endrika sariaka Dia menamenatra aho, tsy nahateny firy, Ny nihaonatsika hatreo asa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/hotezerako
HOTEZERAKO
VOLAFIHA
Dia hotezerako ihany ianao Fa tiako loatra ny higoaka Ny mamin’ny alatsininao. “azafady an! Kony, azafady” Dia mody aho manenjan’ady. Dia hotezerako ihany ianao Fa tiako loatra ny hitroka Ny atilalin’ilay tohiny. Mifona ary e! Mifona” Vatrako ny tsy miteny mody moana Mbola te hihaino foana. Dia hotezerako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/rindra
RINDRA
VOLAFIHA
Rakofy hafanana Ilay foko mankafy Ny fitiavanao iray. Dia hianoka hazavana Reharehanao fa tia Anao mandrakizay!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/ray-efa-mba-impiry-mo
TENY IRAY
VOLAFIHA
Ray ô! Efa mba impiry moa ity izaho no nivoady Fa vonona hiady? Nefa hatramin’izao Diso fantatrao Tsy arakarak’iny Mainka maro tsiny Mainka toa miavosa Ireo ratsiko tontosa. Ifonako ry Ray. Anio meteza indray Handio ireo fahotako, Hamafa ny hadalako. Ray ô! Efa impiry impiry koa ity izaho no nikasa Fa vo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/nierina-ny-taona
NIERINA NY TAONA
VOLAFIHA
Inoako marimarina fa Mba tsaroanao ihany Ny herin-taona lasa Izay saiky nampivarina Anao ho tena ambany Noho ny haratsiam-pikasa Raha tsy Izy Ray Izay mpihaino vavaka Nihaino ny talaho Dia angamba ohatr’izay Tena efa niravaka Rojo vy ianao. Na teo ireo ako ratsy Tsy haiko ny nandao Ny naniny, ny nandatsa…...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/ry-foko-kely-tiako-loatra
RY FOKO KELY TIAKO LOATRA
VOLAFIHA
Rehefa injay memelovelo Ka itambesaran’alahelo Dia mitonia, aza sendaotra Ry foko kely tiako loatra. Raha manangoly ny fanahy Ireo embona aman-tsiahy Dia mionona, aza mitraotra Ry foko kely tiako loatra. Raha mila haningotra ny aina Ireo korontan’adin-tsaina Dia andrandrao ilay any an-koatra Ry foko kely tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/oay-ity-ty
OAY ITY 'TY!
RFE Andria
OAY ITY ‘TY ! Oay ity ‘ty ! miseho ho be mpankafy nefa maharikoriko ery mampiesona anay ety Oay ity ‘ty ! rain’ny demagôjia manao ronono an-tavy hay ka hevitra mamosavy Oay ity ‘ty ! tena tia miriaria nefa tsy hita izay zava-bita afa-tsy ny mikitakita Oay ity ‘ty ! ny vahoaka izao mihamahia ‘ty kosa toa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ekeko-izay-nekeko
EKEKO IZAY NEKEKO!
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
-Tia aho,tia anao tsy nihahotra! ny hilaza anefa aho matahotra! toa tsy sahy fa miahiahy, toa tsy mba lehilahy! -Ry tiako mendrika! matahotra aho ka rendrika! nefa ianao anie mba toa ahy; nofo,vatana,fanahy! -Tsy ianao anefa no atahorako, fa ny valin-teny avalinao ny fitiavako! ilay teny,fanotaniana hotolorak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/ranonny-fitia
RANON'NY FITIA
VOLAFIHA
Tsy haiko hoe teny ahoana no ahalaza ny ato am-poko Tsy haiko koa na manao ahoana ny hamafin’ny finoako Fa imbetsaka eny mihitsy, no manorika amin’ny tava Ilay ranon’ny fitia mampangovitra ny vava. Efa reko ihany hoe: “ny fitia fitomaniana” Efa niainako ihany koa ny alahelo olon-tiana Na ny fiainako ankehitriny m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/vavako-androany
VAVAKO ANDROANY
VOLAFIHA
Andriamanitra ô! Tsapako ankehitriny fa Ny fitiavanao no mbola nahavelomako Na dia be ireo tsiny, Na dia be ireo tsiniko sy ny ady nitomako. Andriamanitra ô! Fantatro aho tsy mendrika ny hiresaka aminao Mpanota aho tsy madio. Indrisy he ireo loto, Indrisy he ireo lotoko Sasao re aho anio. Andriamanitra ô! N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/any-ilay-malala
ANY ILAY MALALA...
RFE Andria
ANY ILAY MALALA... Any ianao Malala an, izaho aty manina Mahatsiarotsiaro anao, torovana toa fanina Tsy mahita tory, ny eritreritra tsy tana Lasa any aminao, tsy voafehy, tsy tamana Any ianao Malala an, tsapako mamelovelo Miombom-po, miray fanahy, reko aty fa malahelo Toa nilaozan-torimaso noho ny telepatia Mos...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ianao-no-fanantenako
IANAO NO FANANTENAKO
RFE Andria
IANAO NO FANANTENAKO Na manonja toa inona ny ranomasina lalovako Na miendrika hikoro izato rindrin’ny rovako Tsy hitanondrika aho satria ato anatiko manako Ny fahatokiana feno: Ianao no fanantenako! Mety handrahona angamba ny lanitra isidinako Mety koa hisy hantsana ny làla-miakatra idinako Tsy mampaninona ahy a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/tsy-misy-fatrany
TSY MISY FATRANY
VOLAFIHA
Noheveriko ho efa maty Sy voalevona ato anaty Ilay fitiavana mahantrako. Ka ho potika sy rotika Ny tsiry nitahiry Ny ainy tato an-tratrako. Hay tsy levona fa torana Ilay sisa nanamborana. Eny sitrana ny ratrany Fa ny fitia tsy misy fatrany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/08-novambra
08 NOVAMBRA
RFE Andria
08 NOVAMBRA Dimy ambinifolo taona androany No nandaozanao ny tany Nefa toy ny vao omaly Ireo ketoky ny jaly Sy ny rotsa-dranomaso Izay nateraky ny ankaso Ny tomanim-pahoriana Hiaka anaty mangingina Alahelo safomorona Nokoboni-nahatorana... Nilaozanao e ka mangidy Tsy mba afa-nisafidy F'izay no lahatra eken...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/ny-vola
ny vola
Telomahery
NY VOLA VE? Izy no anankinana ny marina rehetra, mandritra ny androm-piainanao. Ambetiteny lavan'ireo tanora tarigetra sy izao rehetra izao! Ravola?ilay miantoka ny ankohonana, Indrindra ireo ankizy. Ilay fitady ifanakonana raha sendra mba krizy! Fa ianao?manahy ny ampitso lava, mampiasa izay takatry ny saina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/embona
EMBONA
VOLAFIHA
Maka toerana mangina No mba takatry ny saiko Rehefa injay mamely mafy Ny alaheloko ny tiako. Tava feno fahoriana No mikitika ny aiko Toa misompatra mibaiko Ilay masoandrom-pifaliako. Dia toloko lalandava No fiainako isan’ando Ny mamisavisa anao No haiko tsy mba mampalaina Ary ranomaso an-tava No mba vatsik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ampio-ny-finoako
AMPIO NY FINOAKO
RFE Andria
AMPIO NY FINOAKO Ampio aho ry Ray fa mila hivembena Kely ny finoako, marary sy ferena Mba ampaherezo sy ampitomboy Tsy velon-kantenaina, tsy maty ka hafoy Sokafy re ry Tompo ny mason’ny finoako Hibanjina hatrany ireo soa maro loko Atobakao isan’andro ao amin’ny fiainako Ampianaro aho hamoana ny tarainako Aoka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/ho-ani-zandry
HO AN'I ZANDRY
VOLAFIHA
Raha hitia indrý Zandry dia izao no tadidio: Tantely sady vahona io fitiavana io. Indray mba mampifaly, mahasambatra aok’izany; Indray toa mpampijaly, mandrotsaka tomany. Maro ireo milaza hoe: ianao tiako be! Dia manangolingoly, dia jereo anie fa Ianao manontolo omeny dokadoka, Omeny tokitoky, omeny lokaloka. A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/lasa
LASA
VOLAFIHA
Dia lasa manko ianao! Tsy izay no nofidiana Fa voatery aloha nandao… 'Ty zaho nanirery teo… Tsy maintsy na dia leo. Mahantra olon-tiana. Eh! Lasa manko ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/tsy-matotra
TSY MATOTRA
Tahina Fabien
Raha paiso ianao tantely, Raha loko ianao mavokely, Raha fatana ianao dia le mitsitsy; Koa satria sipa ianao dia le pitsiky. Raha pibasy ianao dia grêfe, Raha volo ianao dia mila mihety; Raha poara ianao dia belo, Raha marikivy ianao dia sako! Raha mapy hika ianao dia voanjo, Raha mamono ianao dia masoandro, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/indry
INDRY
VOLAFIHA
Tiako Tsy ariko Fa niriko. Mamiko Sy laniko Akaniko. Sambatra Mitambatra Tsy miambatra. Tia Irery an’dry Doria doria.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/afo
AFO
VOLAFIHA
Fa nitsilopilopy ilay jiro tamin’izay Dia tonga tampoka izy nandrehitra ankiray. Dia nitohy ilay hazavana Nirehitra tsy tana; Nirehitra kinanjo… Nandoro indray ny akanjo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ianao-no-deraiko
IANAO NO DERAIKO
RFE Andria
IANAO NO DERAIKO Vao mifoha isa-maraina Mitodika Aminao ny saina Ianao ilay Loharanon’aina Ianao dia Ianao no deraina Manomboka vao miranandro Mitobaka toy ny isan’andro Ny fitahiana arotsakao ry Raiko Ianao irery no deraiko Rehefa mitehika ny hariva Ny fahasoavanao mandrakariva Mandonaka ny karankaina Iana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/fitiavana
FITIAVANA
VOLAFIHA
Izay nahatonga anao ho nisy teto an-tany Izay mbola iainanao mandrak’androany Izay antoky ny ho avinao tsara sy mirindra Tsy hafa fa fitiavana ilay lehibe indrindra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mafy
MAFY
RFE Andria
MAFY (nosoratana tao anatin'ny alim-potsy) Mafy tena mafy Ny miaritra ny rafy Mahate-hamono Marina tsy hono... Mafy koa raha mafy Izany hoe mihafy Noho ny tsi-fisiana Tena fijaliana... Mafy samy mafy Noho ny tsy mitafy Anatin'ny hatsiaka Ity manjo antsika: Tsy mahita tory Aretin'olona ory Ilaoza-nofy ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/fitia-tsiambaratelo
FITIA TSIAMBARATELO
VOLAFIHA
Tianao aho kanefa indrisy! Nefa indrisy fa ireo misy Ireo misy indreo mibahana Indreo mibahana Manakana ilay fahalalahana. Tiako ianao kanefa moa Nefa moa ireo taloha Ireo taloha tsy ahafaha-manoatra Tsy ahafaha-manoatra, Tsy ahafaha-mitroatra. Tianao aho dia tiako ianao Tia, kanefa hatramin’izao Hatramin’i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/naleoko
NALEOKO
VOLAFIHA
Raha nampoiziko ho toy izao no niafaran’ilay fihavanana Dia naleoko aloha tsy nanana. Raha nampoiziko ho toy izao no niafaran’ny fifandraisana Naleoko ts’isy ilay niraisana. Raha mba fantatro mialoha fa hisy ako ratsy hatrany Dia naleoko irery ihany Raha mba fantatro mialoha fa mety tsy hampilamin-tsaina Naleoko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/jirama
JIRAMA
RFE Andria
JIRAMA Rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra Tapaka hatrany raha ny herinaratra Fantatra fa tsy maintsy izay no iainana Tsy hanova inona izay fitarainana Fa na amin'ny fotoanan'ny mainandro Tsy ilàna sikidy avy amin'ny mpanandro Tsy maintsy tapaka foana ny jiro Ka ny labozia no ndeha amikiro Fa na ahoana na inona...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/tsy-iny
TSY INY...
VOLAFIHA
Fantatrao tsara efa hatramin’izay Fa afo ny fitia Haingàna mivilia, Mihodòna tsy hijery ‘Ndrao ho may indray K’hihitatra ity fery Meteza ianao atoro Raha mbola te hijoro Aza be fikiry, Tsy anao iny ho’aho Aza mila raharaha Efa an’olona iny. Fantatrao tsara efa hatramin’izay Fa afo ny fitia Haingàna mivili...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/sambatra
SAMBATRA
VOLAFIHA
Sambatra ianao nahay nanadino Ny zavatra nisy, ny zava-kinendry Indrisy ‘ty saiko tsy mba mety mino Fa tsy ianao no anjara voatendry. Sambatra ianao tsy mba nahare Ny fangirifirin’ny fialany aina Indrisy ‘ty foko adala va re Fitiavana maty no mbola antenaina ? Sambatra ianao tsy nisy fotoana- nisaonana akory, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/mila-anao
MILA ANAO
VOLAFIHA
Raha mila namana hitafana aho, Dia ianao no toa ilaiko, Mitady namana hizarana Dia ianao no ato an-tsaiko, Ny hafaliana mba anjarako Tsy feno raha tsy misy anao Ny aferon’ny tantarako Leoko raha vao eo ianao Rehefa injay aho ts’isy atao Toa tratry ny fanainga foana Malo-dava tsy eo ianao. Tsy misy iavahako a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/maraina-vaovao-...-velon-
MARAINA VAOVAO...Velon-
RFE Andria
MARAINA VAOVAO Velon-tsaotra re ny fo Noho ity maraina vao Izay nomenao ry Tsitoha Noho ny fitiavanao Hodidino fitahiana Ary koa fahasoavana Dia fenoy fifaliana Hasambaran-tomandavana Eo Aminao no apetrako Ity androko tontolo Ny fikasana rehetrako Ho maraina velom-bolo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ity-ataonao-e
ITY ATAONAO E...!
RFE Andria
ITY ATAONAO E…! O ! Ra-Fanja a ! mba saino, hevero kely Jereo ny mahamaika sy vaovao miely Fa ianao ve jamba sa minia mikimpy Sa fanahy inianao ny mahalikiliky? Tsy henonao va re sa odianao tsy heno Ny fanambaran’ilay akoho* iray naneno? Hoy mantsy izy: azy tsy iadiam-barotra Ireo nosinao**, na ho mora na ho sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/miombon-antsa
MIOMBON' ANTSA
KIRIAH
Tsy tafandry mandry ny moka eto lala ô !!! Misioka manadala , Mihaodihaody an-tsofiko , Manangan' ady foana amin' ny tory sy ny nofiko , Mikiririna môla dia miakatra sy midina . Ny hafa no voalatsa ho : LOHALOHAN' ANGIDINA , Kanefa ito mihitsy no teritery saina Sy tsy mahay miaina Sa kosa savolaina tahaka ahy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/fitia-voarara
FITIA VOARARA
ANDRIAMASIMANANA Andry
FITIA VOARARA fitiavana voarara, ny antsika roa, kanefa samy tia, sy tsy mifankafoy, fa teny iray monja, no nandoro zany trano, ho afo mijoala, ka zary tsy hay vonoina, nandoro mahamay, nandrehitra ny vanja, ka nampipoaka mintsy, ny ati-fo, fanahy, vatana sy saina..... fa alevina manangatra, totofana mip...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/marina-ny-fitiavako
Marina ny fitiavako
Ari Ira
Tsy hoe voatanisako ny anarany, na koa hoe voasoratro matetika anaty rima tsy mahahetsika dia hoe iadiako ny ho anjarany! Fa tsy misy soratra mahefa mahalaza izany embona ahatsiarovako anao afa-ts'iny anarany iny. Ka aza omenao tsiny raha voatanisako eo am- bavako fa matokisa akia rahavako fa ianao ihany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dovan-andrian/tiako-enao-ry-tanindrazako
Tiako enao ry Tanindrazako
Dovan Andrian
Tiako enao ry Tanindrazako, Na potehina simbaina, Na ravana sy ratraina, Na lotoina ka zimbaina Eny, na dia simba karakaina! Na ranomaso sy tomany, Na tabataba sesilany, Na mandohalika amin'ny tany, Fa ny ahy, dia enao irery ihany Fa hitempo anao ny foko, Na alehelo sy toloko, tsy misy hafa hasoloko, ka tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/safo-siaka/ny-fiainana-izany-tsy-mai
Ny fiainana izany tsy mai
Safo siaka
Ny fiainana izany tsy maintsy malama e! Be fandripandrika ombam-pitsapana Kanefa fantaro fa n'inona hiseho Ny Tompo miahy, tsy manary fa eo. Ny ngidy zakaina sy tsy eran'ny aina Mandreraka fo, toa tsy zakan'ny saina Kanefa Izy toky sy miaro mazàna Minoa dia tazony ny fanantenana!!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasina-andrianarivo/ho-anao-ry-dadabe
Ho anao ry Dadabe
Hasina ANDRIANARIVO
Atolotr'i Hasina Andrianarivo ho an'i Dadabe Andriambala Joseph feno sivifolo taona ny 19 Septambra 2015 "HO ANAO RY DADABE" Tombon-taona, tombon-tsoa, tena fatratra tokoa Izay tsy manam-paharoa no nomen'Ilay Tsitoha, Fanomezana tsy ho lao, no natolony ho anao Andro lava ka derao, Ilay Jehovah Tomponao; Eny, mend...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mamela
MAMELA!
RFE Andria
MAMELÁ ! Ireo fahotako marobe Na tsy hita sy tsy re Nalavon’ny fakampanahy: Raiko ô! Mamelà! Ny hadisoako nifanesy Tamin-dàla-nampiletsy Nampitrosotrosona ahy: Raiko ô! Mamelà! Ireo fandikan-dalàna Izay niniana, hadalana Ka naningotra ny aiko: Mba avelao re ry Raiko! Ireo ota nolalaiko Tao am-po sy tao an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-fananako
"Ny fananako"
Ramiadanarivo fetraniaina
-Izay ananako ifaliako Koloiko tsara ka tsy ariako Izay ananako ifaliako Hanaja izany re no iriako -Izay ananako ifaliako Hanombohako ny fihariako Ka na misy ireny fijaliako Tsy hanary ahy ny fihafiako -Izay hany kely ananana Sy voatsirambin'ity tanana Mbamin'ny eo am-pelatanana Dia ho zaraina ho an'ny naman...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andria/ny-teny-malagasy
NY TENY MALAGASY
andria
Raha mbola Gasy ihany ianao Raha mbola Gasy ihany isika Dia izao n hangatahiko aminao Andeha isika hanarina ilay tenin drazan tsika Fa manina GASY SAMY GASY Dia tsy mifampiresaka @ teny malaGASY ...Menatra ve ianao, Amin ilay tenindrazanao!! (28_10_15)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/28463883/anjely
Anjely
(2.8.4.6.3.8.8.3)
Anjeliko ianao Anjeliko tsotra izao Anjelikotsy haiko hoe nahoana Fa ny ajeliko , anjeliko foana Anjeliko anjeliko ihany Anjelikom-pitia izay tsy ho lany Anjeliko tsy indray miserana Anjeliko azo ianteherana Anjeliko ; anjeliko izany Anjeliko tsisy tomany Anjeliko ilay be fitia Anjeliko foana indria
https://vetso.serasera.org/tononkalo/murat-antonnie/diso-aho-ve
diso aho ve?
MURAT ANTONNIE
Diso aho ve? Raha hindrana ny taratasy sy ny peniko? Mba ho entiko anambara zany bitsiky ny fo zay efa ele no nafeniko Diso koa aho ve raha hindrana ny sofinao raha hihaino izay lazainy Sy ireo zay vetsombetsony ao? Eny diso aho angamba fa ho teneniko ihany izao dia ny fitiavan'ity fokko izay miantefa any a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mamy-mafaitra
MAMY MAFAITRA
RFE Andria
MAMY MAFAITRA Tsy ampy, hoy ianao ry tiana, ny fotoana izay nomeko Hamborahanao imasoko ny ao am-ponao tsy miloaka Ka toy ny mahatsapa ianao fa noporetiko, tereko Hilaza sy hanambara etoana ilay fitia tsy tafavoaka Dia norohanao ny molotro tamina oroka mangina Oroka niampy fihina toa tantely raha ny hamaminy Nit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-faniriako
NY FANIRIAKO
RFE Andria
NY FANIRIAKO Sao anie ho rovitra ity fitafiako F’efa aman-taona izao no nihafiako? Sa mandra-pahoviana no mbola hijaliako? Anefa tsy izany no mba faniriako… Izato fitafiako toa vorokitsay Nolazoin’ny fotoana hatramin’izay Nolanahan’ny sedra maro mahamay Naolan’ny olana koa indraindray Ny nofoko mantsy no tian-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/joyeux-anniversaire
JOYEUX ANNIVERSAIRE
RFE Andria
JOYEUX ANNIVERSAIRE! Vita sikotra ato anaty Tsy ho voakoso-mandra-maty Hatramin’ny nahalalako anao Andro iray irariako Isambaranao ry tiako Ho ampoky ny hafaliana Hiainanao taona zina Ka homarihiko anio Ny fanomezana, fidio: -Oroka mitafotafo Sy fihina ary safosafo -Sa kosa mofo mamy Sy sakafo tsy ho lany?...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.diamondra/lakam-pitia
LAKAM-PITIA
R.Diamondra
Dini-tsy natefa no nandiso vinavina Fitiavana nitefa no nahajamba ireto maso Teny nolokoina langolango ngolangola. Lainga diso no voamarin’ilay tsiky Ary fon-dehilahy no babon’ireo masony. Dia babo izy Renoky ny nofy ka niaina nofinofy Nefa nofinofy tsy nitoetra Noravain’ ilay maraina Dinitra mangidy no sotroi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/nofy-tena-niainana
NOFY TENA NIAINANA
ANDRIAMASIMANANA Andry
ny voahariny tontolo, no mampiray antsika, na dia lavitra aza enao, dia toy ny eto anilako, fa ny volana io, mizara ny hazavany, sy ny masoandro io, mizara ny hafanany, dia ikambanantsika, ary ny rivotra malefaka, mitsoka..mamelombelon'aina, dia mbola iraisantsika, ny alina mangina, mitondra fitoniana, ak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-namana
NY NAMANA
Fredy Jaofera
NY NAMANA Ny namana dia tia amin'ny fotoana rehetra, tsarovy tsara izay, fa tsy indro, sanatria, mandao vao manjoretra ny ora anankiray. Ny namana dia soa mba mahasolo rahalahy rehefa singan-drery, manampy rehefa voa sy tsy ananana ahiahy no sady mbola hery.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-soratro
NY SORATRO
RFE Andria
NY SORATRO Na ny vavako hampanginina Ka hozairina ny molotro Na tsy hanan-kovimbinina Io ny soratro atolotro Na ny masoko hotampenana Tsy avela hijery koa ny misy Na ny tenako hambenana Io ny soratro hanitsy Na ny tongotro hofatorana Tsy hitsikara-baovao Na ny tenako hototorana Io ny soratro tsy handao Fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-ekeko
TSY EKEKO
RFE Andria
TSY EKEKO Tsy ekeko raha ny ankizy no ambakaina fa hoe zaza ka anombinana ny anjarany fa lazaina ho tsy sahaza Tsy ekeko raha ny vehivavy izay toa fanaka malemy no anamparan-kery sy ampiainina ny memy Tsy ekeko raha ny madinika, ny mahantra tsy manam-piahy no anaovanao antsonjay fa satria ianao “Rangahy” Tsy ek...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/aiza
AIZA?
RFE Andria
AIZA? Alina mangina Alin-tsisy kintana Na ny foko sina Nototoim-bintana...? Manontany foana: Aiza ianao Malala? Tsiaro babangoana Misisika tsy miala... Aiza? Aiza ihany? Ny foko tsy mionona Hany heriny tomany No mamantam-bonona... (@ 1 ora maraina)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/rilay-tovovavy
R'ilay tovovavy
Ramiadanarivo fetraniaina
"R'ilay tovovavy" Ry zatovovavy,avia ho andefimandriko Raha reraka ianao miankina eto an-tsandriko R'ilay tsara tarehy,avia re ho tiaviko Ho andrin'ity foko,hanambina ny ho aviko Andeha re hitazana,an-tendrombohitra eny Hiresaka fitiavana,sy sangy lava reny Voninkazo maro,mandravaka ny ala Manitra aok'izany,soa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/matoky-aho
MATOKY AHO
RFE Andria
MATOKY AHO Tsy fantatro akory izay havoaky ny ampitsoko Na ho tsara na ho ratsy mitaha amin’ny omaly Fa ny azoko atao dia ny vavaka no afitsoko Sy ny mino, manantena fa izany dia hivaly Eo am-pelatananao no apetrako ry Raiko Ny fiainako tontolo, ny amiko rehetra Matoky aho anio fa hotsimbininao ny aiko Satria n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/eo-aminao
EO AMINAO
RFE Andria
EO AMINAO Eo aminao re ry Ray no ametrahako ny fiainako Ianao irery no antenaiko hanafoana ny tarainako Ireo teny fikasana izay nomenao no ifikirako Ny famonjena atolotrao no ataoko hirahirako Ianao no nanambara fa mihoatra noho ny vorona Izahay zanakao izay Ianao no namorona Eo aminao no ametrahako ny olam-piai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-tolona
tolona
Ramiadanarivo fetraniaina
Nisy re ny tolona Ho anao ry gasikara Nataon'ireo olona Nitsinjo ny afara Nirehitra aok'izany Ny fitiavan-tanindrazana Nitolona hatrany Ho anao ry fiantsampazana Nanam-pahasahiana Hitolona ho anao Ry tany fihariana Izay mijoro izao Ny tolom-panafahana Nibahana ny sainy Ka nanam-pitiavana Hanolotra ny ain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/alim-pijaliana
Alim-pijaliana
Nofy2
Manenjika ahy ny saiko Manantona ny nenina Tsy hita izay lazaiko Handroso te hiverina Ny lasa mampatsiahy Ireo zavatra fanaoko Ny ho avy mampanahy Hoe inona no ataoko? Ilay torimaso mamy Namangy ahy isan’andro Nihemotra avy hatrany Na alina na atoandro Ny ranomasoko aza Mirotsaka eo foana Fafana mando lav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mivoaka-mpamosavy
MIVOAKA MPAMOSAVY
RFE Andria
MIVOAKA MPAMOSAVY Mipaika ity ny ora « mivoaka mpamosavy »* f’izaho ity goragora lanahim-po manavy… Toa tsy hahita tory na resy aza ny nofo valiany boribory: ny ady tora-jofo… Apetrako eo Aminao ry Raiko any ambony izao alina izao mba ho alin-tory tony… Toneo ny fo sy saiko ny nofoko ihany koa f’Ianao r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ianao-ry-tiako
Ianao ry tiako
Ramiadanarivo fetraniaina
-Tiako tena tiako tsy foiko anie ianao Tsy misy hoe satria fa tiako tsotr'izao Ny mibanjina anao eny tena ankafiziko Ireo teny maminao eny izao mbola tadidiko -Ianao ry tiako no nanolorako fitia Raha ny hanadino anao aloha dia sanatria Tiako ho irery anie ianao ry tiana Izay natolotrao eny tsy hariana -Manakoak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-sitrakiniavo/ny-mitia
NY MITIA
Zo Sitrakiniavo
NY MITIA Ny mitia dia hasambaran-tsy manam-paharitana onja iray fitopan’ny fo iray fitepo teraky ny anjara, ny lahatra…ny vintana sento iray fiako any anaty riam-betso Ny mitia tsy voabaikon'ny teny hoe "tsy maintsy" voafaritra am-boady sy dina mira geja... fotsiny hoe mila ny fo miara-manaiky fa ny "TIA" dia a...