url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/aingam-panahy-niserana | Aingam-panahy niserana | Joda Razakasoa | Injay! ilay feo miserana
fa mibitsika tsy moramora
tsy azoko toherina na ferana
isan'andro isan'ora
raha ao anaty fahanginana
izay misy ny aingam-panahy
no mba faly sy mirana
mety hoe terem-panahy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/fombam-pitiavana | Fombam-pitiavana | Santatry Ny Omaly | Folapolaho hoe ny fitiavan' ny tiana !
Ary aza hamelàna raha tsy mitaraina
Toratoràno amin' ny fara-fodiana !
Baboy ho domelina mandra-maraina
Rehefa mikiaka dia iny avelao
Ka tambitambazo sy langolangoy
Amin' ny oro-pitia sy fitiavana vao
Ibitsibitsiho dia mba safosafoy !
Ka tahafo amin' izany ny fomba fitia !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/mianara-kabary | Mianara Kabary! | hjravs | MIANARA KABARY
Ny masonao mipitrapitra, endrey 'zato izy baribary,
te-handaha-teny ianao fa tsy mahavoa kabary,
ny lela no avadibadika, ny totohondry sasatra avonkona,
manan-kevitra hovoizina saingy tsy mahita atokona,
'ndeha ary,
hampianarina kabary!...
Ny mangina volamena, ekeko, aloha, ny amin'iny
fa rah' ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ragasy/gasy-voatsiny | gasy voatsiny | Ragasy | Aza fa...
Raha vinakinao ny diam-peniko
sy ireo kalo fiventsoko?
dia antenaiko
fa ho fantatrao ny amiko.
Ny zava-imatesako sy lalaiko
ary ny tsy tantiko.
Raha banjininao ny volana fikaloko,
dia hiritsoka am-poto-tsofinao ny aloko
ka hilaza sy hanambara,
hivazavaza ilay tantara
nolavinao.
Raha jinerinao ilay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/123 | 1,2,3 | Zoky Eric | tao anatin'ny mangidy
no nahitako ny mamy
tsy hoe anjara fa adidy
handalovana eto antany
satria ny fiainako eto
tsy voatery ho hafaliana
fa tsy maintsy misy sento
ary koa fahakiviana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/ianao | IANAO!! | BerthiN AinA | Tsy matory izaho
Isak'alina
Mamisavisa izato
Endrikao maha-fanina
Vao mifoha ny maraina
Dia ianao no ao an-tsaina
Mamiko toy ny tantely
Izany masonao mijery
Ny atoandro
Mibanjina ny lanitra
Kamo ny hahandro
Fa vokin'ny fofonao manitra
Ny hariva kosa
Mandinika ny vita
Izay niarahananantontosa
Taminy fiar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/embona | Embona | Ra'Ony | Mbola miotsana ny fo, mahatsiaro ireo, lasa
ao antsaina mitambolona ireo zavatra kinasa!
nofinofy ny ho avy, amiratra toa volana
lohataona lalandava, lavitry ny olana...
Nefa zao dia nandao, voafetra ny fotoana
ilay nokinasa no lalaina, haharitra aman-taona
voninkazo nambolena, nirina ho tonga taho,
fa voasetras... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.dina/ny-foko-mitomany | Ny foko mitomany | R.Dina | Ny foko mitomany
Malahelo ny any
Mipetraka ao an-doha
Ny fahatsiarovana taloha |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ilay-vonin-draozy | ILAY VONIN-DRAOZY | RFE Andria | ILAY VONIN-DRAOZY
Vonin-draozy kanto iray tao anivon-jaridaina
no nambabo izato foko, nahasarika ny saina
Lasany any ny fitiavako, nomeko azy manontolo
noho ny hatsaran-tarehiny, loko meva tokam-bolo
Endrey! izato fofo-maniny fa manentoento ery
mipariaka entin-drivotra ilay hanitra fitia!
Fanina aho, tena doroka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/ny-aliny- | Ny aliny ... | Santatry Ny Omaly | Miainga ny alina ...
Ny fanapanahin' ny volana eny an-danitra sisa no hany aina mamelona ny voahary ...
Ny tsidimidimin' ny kintana somary misafonoka manao andiany avy, no injao manosika azy mora mba hiaina
Fa ny alina ! Misy ny ali-mangina dia misy ny ali-mitaba !
Fa ny alina ! Misy ny ali-maizinina dia misy ny al... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ghest1986/fahatsiarovana | fahatsiarovana | ghest1986 | IZAY REHETRA
1)izay ataoko hatsiarovako anao
na aiza na aiza misy ahy
hatramin'ny zavatra atao
dia injao fa mampatsiahy
2) na dia anaty fiara
sy @ toeram-pitsangatsanganana
dia io ilay tsikinao fa tsy miala
toa somary takonanao tanana
3)eny fa hatramin'ny fitafiako
sy ilay tokonam-baravarana
fitoeran-tsika ,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/s.g/tiko-ianao-ry-malala-satr | Tiko Ianao | S.g | TIKO IANAO
Tiko Ianao Ry Malala
Satria Ianao Tsy Manan-tsahala
Na De Maro Aza Ireo Mpakahala
Matokia Fa Ho Mandra-maty Ity Tantara
Aza Kivy Ry Malala
Na Misetra Olana Ity Tantara
Koa Matokia Ahy Ianao Ry Tiko
Fa Ianao No Efa Nofidiko
Na Maro Aza Ireo Vehivavy
Matokisa Fa Izaho Tsy Hampirafy
Tadidio Fa Ny Fok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaho/fitiavana-mangina | FITIAVANA MANGINA | IZAHO | Eny mantsy ry malala an! Ra manuratra aho izao.Ianao nu mahalala,ASA TIA AHY VE IANAO??
Taratasy sy valopy nu atolotro indray mitopy aza avela isy ijery afatsy ianao irery
Ity nu lettre nosoraku secre amam-pitiavaku declaration d'amur avy @ny foku manutolo
Ho faranaku ny teniku ar apetsaku ny peniku f ny teny tiko a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laruto-na-hasina/tsy-ho-adinoko | tsy ho adinoko | laruto na hasina | Alahelo toa mafonja
No indro niantra taminy
Fa indro toa lasan'ilay onja
Ilay tiany sady maminy
Tsy nasiany antra
Ilay tiany izay mahantra
Fa navelany fotsiny hijery
Indro sara ~tiana toa manirery
Fa hoy izy an 'eritreritra
Tiako ah!
Raha izao no efitra ampisaraka antsika dia ho zakaiko
Tsy mba manana an 'iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/tsaroako | TSAROAKO | BerthiN AinA | Tsy hay hodiana tsy hita
Lay tantaran-tsika
Fa tsaroana hatrany
Ireo fotoana mamy
Tsaroako foana mantsy
Ianao nitaraina noana mafy
Ary nomeko manga
Ka nandokafanao ahy hoe manja!!
Voarakitro anaty diarin-teny
Ireny fotoana mamy ireny
Izay niarahantsika roa
Nanovo ny soa
Asa ianao raha mahatsiaro ny tantara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laruto-na-hasina/ny-vokatrilay-fitiavako | NY VOKATR'ILAY FITIAVAKO | laruto na hasina | Toa lasa zary nankaleo
ny fihenoiny ilay feo
izaho mandodona azy foana
rehefa tsy tonga aram-potoana
tsy fidiny ho ahy anefa izany
fa ilay fitiavako azy ihany
tsy fanahy hiniako velively
fa ilay fitiavako no manery
tsy voatery ho teny mamy
no ho zaraiko anao hatrany
fa fitiavako ihany
izany hasarotam-piaro i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nitiah-nosy/mofogasy | MOFOGASY | Nitiah Nosy | Sakafo tena hafa kely,
boribory toa kodiarana;
tsy mba lafo velively,
jereo ange fa ilaharana!
Tsy mba sarotra zahana,
fa hita etsy sy eroa!
Ra' sendra azy vao mafana,
tsy mionona amin'iray sy roa!
Arahin-kafe io na dite,
"tsiro" izany anie ry ireto e!
Fotsiny omboloy ange,
'ty fofony manentohento!
Ela no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaho/sovenira | Sovenira | IZAHO | Sovenira kely monja no atolotro anao ilay teny kely fa mahafonja de miteny hoe tiako enao sora
tanako noato voakaly sy
miranto aiza atao be py jery afa tsy ianaho hirery
Eny mantsy ry malala fa tsika sami mahalala
ra anao hoe "tsy" favalony fity ka azafady ry chery ra anolotranty deklarasion
Damour fan' ny foko te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/sambatra | SAMBATRA | BerthiN AinA | Sambatra aho manana anao
Olo-kendry hay iankinana toy izao
Tsy mitolefika aminy mafy
Fa Mijoro foagna hoahy
Sambatra aho fa tsy irery
Misy anao mba mankahery
Manosika ahy hiala@ratsy
Miaritra ny menimeniko sy mihafy
Sambatr aho misy anao
Mitondra maraim-baovao
Mba hifalian'ny foko
Nahatsiaro fa very zo
Samb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nitiah-nosy/sa-ve-tsy-gasy | Sa ve tsy Gasy? | Nitiah Nosy | Malagasy aho,
sahala ‘zaho sy ianao;
nefa mahagaga,
tena mahavaka:
rehefa mba mitafa,
valianao teny hafa!
Teny farantsay,
tsy tenin-dreninay;
na koa anglisy,
tsy ho azoko mihitsy!
Sa ve ianao tsy Gasy? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laruto-na-hasina/lasa | lasa | laruto na hasina | Lasa enao nandao
Adinonao ny fahiny
Ngamba efa lao
Za tsy anome tsiny
Nefa enao nanao voady
Hitia ahy mandrakizay
Tsisy akory ny ady
Nefa rava ny aminay
Tsy omeko anao ny tsiny
Raha toa enao nandao
Lasa iny olona iny
nambabo ny fonao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laruto-na-hasina/ry-foko | ry foko | laruto na hasina | Ry foko
Nahoana no tomany
Tsy misy mpiahy
Sady toa irery
Sa tsy manam-panahy
Ry foko
Fa nahoana loatra
No fefika tsy hivoatra
Andavaka mangatsika
Hamisavisa ny vita
Ry foko
Fa dia inona no tsy mety
No tomefin'ny hakiviny
Tsy hitraka intsony
Ilay hery vao nitsiry
Ry foko
Raha toa sitrakao
Fafao ny toman... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/tiana-manaraka | Tiana manaraka | Santatry Ny Omaly | (...) Saingy tsy mora ny hisaraka
Eny, sarotra koa ny mandidy
Hiandry ny ho avy miraraka
Hanadino ny lasa nangidy
Mangidy tokoa eny izany
Mifandao amin' ny olon' ny tany
Fa mafai-mampijaly kokoa
Ny fandaozan' ny olon' ny fo
Banga ilay hany mba toerana
Voafaritra anaty am-panahy
Fa ny lasa, dia any tsy ferana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/zava-boary | ZAVA-BOARY! | BerthiN AinA | Endrey zany zava-boary mavana
Toa loko maro avoakan'ny Avana
Manjopika tsara tarehy
Toa tantely mila vony tsy voafehy
Kanto loatra tokoa zany zava-boary
Tsy maheno fahoriana na mijaly
Fa feno hasambarana hatrany
Toa rano mikorisa@tany
Endrey mahafinaritra ery zay hita maso
Toa sahala@sahana voankazo
Maha te h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/efa-lasa | Efa Lasa | Zoky Eric | mifikitra ato ampo
tsy vohafafa velively
ilay tantaran-tsikaroa
fa miparitaka mihely
miezaka aho manadino
fa voamaika mitombo hery
dia mba jereo sy banjino
fa aza avelanao ho irery
tsy aiko ny hatao
fa tsy afaka ato andoha
ny endrikao tsy mankaleo
ianao ilay sipako taloha
tapitra ny ora
ka nitsiry indray i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/lasa-ianao | LASA IANAO | BerthiN AinA | Lasa ianao
Lasa nandao
Lasa nakany
Lasa tsy niverina @n ity ankany
Manantena izaho
Manantena fa mbola hahita anao
Manantena hoe indray andro any
Manantena hifankahita fa boribory ny tany
Mino ary aho izao
Mino fa misy tokoa ny mahasahy mandao
Mino aho fa tanteraka ny tsy maintsy misaraka
Mino aho fa mbola h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/ibitsiho- | Ibitsiho ! | Santatry Ny Omaly | Ibitsiho aloha ny fo,
Vao mitetika ny hitia !
Ibitsiho indray mandeha,
Vao misisika hankafy !
Fa mbola misy fo
ankiray tsy fantatrao !
Io 'lay fo nampisy fo
Ibitsiho aloha fandrao ... !
Raha nanaiky inty matoa ?
Ibitsiho ilay faharoa !
Moa nandà ny tena soa ?
Ndeha fatory ny ambom-po !
Fa mifameno loatra iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/voasolo-aho | VOASOLO AHO | BerthiN AinA | Efa nandrasako hatr'izay
Fa ianao no hahavita izao
Tampoka tsy nisy na dia ora iray
Dia indro fa voasolo aho
Fa andro lehibe nanarianao ahy
Na dia ho maro aza ny ho tomany sy hotoloko
Dia tsy hovoafafa ny tantaranao sy ny momba ahy
Voasolo tokoa aho ankehitriny
Fa avy ilay nandrasanao
Eny e!aho ts hanome tsiny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/miangavy-farany | Miangavy farany | JNB | Ry ilay olona iny
Tsy iangavy intsony ny tahaka iny
ity olona mba maniry
tena naniry anao iny
nanontany ny tenako
nanontany ny fitiavana raha tena marina
hoe nahoana no mitomany ny tenako
misy tokoa ve ny tsy azoko fantarina?
aoka re mba ho toy ny teo aloha
ny fifandraisantsika roa
fa ilay fiangaviako farany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hitler-beofo/gasikara-be-rao2-namitaka | Gasikara be rao2
Namitaka | Hitler Beofo | Gasikara be rao2
Namitaka anao aho ry tanidrazako
Tsy nosikajiko ho lovako ianao ary tsy natako ho fasako !
Nitsoka niala teo akaikinao aho ka tsy nanao veloma
Gasikara tsara tanantana izay no ho lomombana
Fieverakao ianao dia toi tany rehetra
Izay maro tsy tambo isaina an'kapetsetra
Ny ranomaso izay efa teboka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/ny-famindram-ponao | NY FAMINDRAM-PONAO | hjravs | NY FAMINDRAM-PONAO
Ny haratsiako sy halotoako,
ny otripo sy lolom-poko,
tsapako fa hadisoako;
Ny ebo sy fitiavan-tena,
fitiavam-bola sy harena,
ekeko, koa, fa fahalemena;
Ny rendrarendra, haditrako,
ny sitrapo sy filibako
ifonako fa fahotako!
Dada ô! Hody aho androany,
ity 'lay zanaka mpandany,
manenina ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laruto-na-hasina/ty-zaho | ty zaho | laruto na hasina | Angamba izaho no adala mitia izay tsy tia,
Miaina nofy lalina misaina ny doria
Dia manainga faniriana
Mba ho tiana sy ho tantanana,
Nefa ity ny lalana...
Tsy miandoha akory dia indro fa sampanana.
Angamba izaho no adala nitahiry ny fitiavako,
Efa-taona izay no lasa,
Nantenaiko ianao ho anjarako
Dia iny vita hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahiry-andry-lafatra/mba-hafaro | MBA HAFARO! | Tahiry Andry Lafatra | Ry rivotra mitsoka ô !
Mba teneno ahatsiaro 'lay tiako lavitra ahy
Fa izaho tena manina malahelo lava azy
Toa tsy tsapako ny tenako, nilaozan'ny fanahy,
Ny hatsiaka sy ny orana nilaiko mba ho sazy.
Tiako loatra izy ka izy ihany no voafidy
Hanala izany jaliko fa tsy mila olon-kafa
Hanosoka ny toerany izay tsara t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laruto-na-hasina/ho-an-ny-malalako | ho an ny malalako | laruto na hasina | Ny tsikinao malalako dia 'lay tsy mba ho atakaloko,
nampamiratra ny handroko nampajavona ny aloko,
dia nataoko ho masoandroko ilay fitiavanao,
izay natory fa nofohaziko ho maraina vaovao.
Ny teninao dia ampy hampiverina ny heriko,
ny feonao no ody manasitrana ny feriko,
mataka-danitra ny tanako, ianao no lasa ela... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lobo-ravnal/ovotra | OVOTRA | lobo ravnal | Kinta-misangy tarafin'ny rano ...
Manjela-mamila ny masoko jemby
Eto aho miandry
ny taom-pararano...
Manembona hira
niaraha-nitendry
Sy ny andro fahiny
ôh...tsy manana an'iza!!
Eto anivon'ny hariva mahatsara vahiny
Ny volana iva fa tsy azoko diavina ...
Irony "vasia" eny, lavitra imaso
Na aza tsy miavona: re... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahfaly-rt/sarotra-amiko-ny-ihangavy | Sarotra amiko ny ihangavy | Mahfaly rt | Sarotra amiko ny ihangavy na ilela paladia
ny hitambatra, hiara dia ka ho doria
kanefa dia voater'ity foko tena tia
izay adala te hifaningotra te hankafia
Asa! mety sarotra aminao ny hamaly
satria nisalasala ny ihara-paly?
sa tsy te hamitaka, handratra
ity fo adala te hifaningotra?
Nefa sarotra amiko ny hino
f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/rahoviana | Rahoviana? | JNB | Tonga indray ny alina mangina
alina hiraisana mba hatoriana
hitokanan'ny vatana hakany aina
saingy ny saina tsy mba makaina
fa eo izy vao tena miasa
vao manomboka ny fahatanorako
fa ny saiko tsy mba milamina toy sasany
misaina ny hoavy,mieritreritra ny lasany
mety toy izany daholo ihany ny hafa
saingy hafa min... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hitler-beofo/fahafatesako | Fahafatesako | Hitler Beofo | Lalana maro
No efa hitantsika
Izy ireny mifangaro
Manampetra isika
Tsihaiko tsony
Fa ho faty aho
Fa ianao irery irony
Ambadiky ny rahoraho
Raiso ry fasana
Aza avela intsony
Efa voatelinao ny isan'karazana
Tsy naverinao intsony
Fahiny sy ny ankehitriny
Ary ny mandrakizay
Ho lafatra no irihirina
Taloha rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lobo-ravnal/niova-dika | NIOVA DIKA | lobo ravnal | efa nosasako
Tamin'ny vongan-dranomaso
Ny tsiaron-dasantsika
Hatramin'ilay minitra
Izay nahalalako anao
Tsy hisy intsony "IANAO"
Amin'ny fiandohan'ny pejin'
Ny boky vaovao
fa
soratr'olonkendry
Nahay nampionontena
Na dia nilaozanao
Fa mbola manantena
Ny tsiky ny maraina hisandratra eto anivo...
Ny lanitra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/hanaratra | Hanatra | Bob Ramanamiravaka | Maro ny olona voafidy
Izay tokony ho tadidy
Ny zavatra ata any am-pianarana
No antoka hahatonga ny fahasambarana
Ny zavatra hianarana hampidirina ao an-tsaina
No lalana izorana sy atao tohan'aina
Ary tohizana foana mandrakariva
Mba hampisondrotana ny masoandro efa iva
Ny zavatra tadidy no aoka hampiray
Mba ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laruto-na-hasina/avelao-izy-hatory | avelao izy hatory | laruto na hasina | Zovy ihany no hitaratra,
an'aloky ny efitranony,
ngiana izao ny kotro-baratra,
voasaron'ny tomaniny,
ny varavaran-kazo,
no indro lasa figadrany,
ny nantenainy no nalazo,
ka nentin-drivotra any ho any,
nitsikitsiky ny maraina,
fa nomeny ny lamosiny,
ny voron-kely nitaraina,
notapenany ny sofiny,
voadona ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mba-hendry | MBA HENDRY... | RFE Andria | MBA HENDRY...
Mba hendry amin'izay ianao ry foko!
Aoka izay ity mitia an-tsokosoko
Fanaka efa manann-tompo anie iny
Tsy natao hitoetra fa kosa hivahiny
Mba hendry amin'izay ianao ry foko!
Ny ataonao ihany no mampifokofoko
Itodiho ny lasa dia mandraisa lesona
Raha tsy izany ianao dia hiesonesona
Mba hendry amin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/alina | Alina | Ra'Ony | alina
Alina tsy hitondra hazavana, tsy hitondra hafanana,
ho an'ity mahantra trotraka sy hana...
misaringo-boridamba, zara raha mitafy...
tsy mba hanampiadanana fa mihafihafy
Alina
Alina nirariana nadrasana hatrin'ny ela
hanaovana herisetra , angalana tsy anki-hera
fananan'olonkafa, tsy misy resaka na tafa,
al... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-fahasalamana | NY FAHASALAMANA | RFE Andria | NY FAHASALAMANA
Mafy ny fiainana raha mbola eto an-tany
Nefa na izany, ny miaina mamy hatrany
Ny fahasalamana, tandrovy sy hajao
Fa voalohan-karena izay nomena anao
Ataovy loha-laharana mason'andro anio
Ny fikajiana azy: fanimbana dia fadio
Mba tsy hanenenana raha tonga ny ampitso
Izay hahatafidirana amin-dalan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ilay-sarinao-iray | ILAY SARINAO IRAY... | RFE Andria | ILAY SARINAO IRAY...
Tsy afaka ao an-tsaiko akia ilay sarinao iray
Fa toy ny vita sikotra ao anatiko izy izay
Dia ilay sary antsoin'ny vahiny hoe "selfie"
Fa narakitrao ao ilay fitia tena fitia...
Io ilay sary iray lalaiko, tena mamiko tokoa
Sary tokana aman-tany tsy mba manam-paharoa
Io no sisa mba tavela, hany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samaritanina/tiako-ny-malagasy | Tiako ny Malagasy | Samaritanina | Gasy aho,
teraky ny tany,
Gasy ray sy reny,
Gasy saina sy fiteny;
Gasy foana, Gasy hatrany.
Gasy aho,
tia ny taniko,
ny fombany rehetra,
ireo lasa sy mitoetra,
ankafiziko ary mamiko.
Gasy aho,
ka mandala
ary tena mankato
ny soatoavin’ilay fo
izay mitia tsy mankahala
Gasy aho,
hiezaka hiaro
haneho izay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/ny-fiainana | Ny Fiainana | Zoky Eric | rivotra mitsoka malefaka
hazahoana ilay fahasambarana
mampirisika ahy hipetrapetraka
hanadinoko ilay fahafatesana
ny zanak'olombelona ve ?
dia tsy maintsy handao ny tany
dia tsy maintsy hiova tarehy
ho potika sy horava hatrany
fa dia nahoana lotra re ?
no tsy mba hosainina akory
hoe ny fiainana anie ka mande
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/lokom-pitia | LOKOM-PITIA | Zoky Eric | ny loko mena
maneo fifanekena
manintona ny saina
sy izay rehetra lazaina
fa ny loko mena
dia loko tsy azo ekena
fa mora mihongotra ny vahatra
feno lainga tsara lahatra
ny loko mena
manambara fahendrena
fa ambava fotsiny ihany
mora rava haviatrany
ny loko mavo
manambara hatsarana
ka tsy mba ho lavo
sady t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/fitia-tsy-anjara | Fitia Tsy Anjara | Zoky Eric | any ianao ry kalakely
izay mamy toin'ny tantely
kanefa nandao akitsirano
ka nanjary lasa angano
izaho nanomboka nankafia
nakatsiron'ny tena fitia
indrisy fa fa lasa voarara
sa izany no atao hoe tsy anjara
indrisy mantsy ry fiainana
tsy misy izay mba hitarainana
izaho efa nanantena anao
hay izy itia fitia kil... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samaritanina/mizanam-piainana | Mizanam-piainana | Samaritanina | Ny alina mety hangina
Natokana mba hatoriana
Fa raha ny fo sy ny saina
Tsy mba afaka ny maka aina
Ireo alina vao tena miasa
Mitepo sy mandefa sento
Mandinika zava-kinasa
Misaina sy mivetsovetso
Ny saina mandinika mafy
Mieritreritra izay mety hatao
Ny fiainana izay maro lafy
No tsara raha mba mihavao
Ny fo e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/miavo-tsy-feno | MIAVO-TSY FENO | Ora | Nisento izany foko
Rehefa nomenao
Ireny fara-teny
Nefa izaho tsy hitalaho
Na koa hitoloko
Raha izay no sitrakao
Mankasitraka ombieny
Eny, 'zay no asetriko
Ho tambin’ilay avona
Tsy fantatro mazava
Ny nahatonga azy
F’ ianao nanjavona
Toa tsy re intsony
Sady koa tsy heno
Tena nampisento ahy
Mba miangavy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/mbola-ho-avy | Mbola ho avy | JNB | Tsy ny androany
tsy ny ampitso koa anefa no hamaritra ny hoavy
tomany androany
tsiky rahampitso
saingy tsy mamaritra na inona na inona anefa izany
saingy matetika ilay tsy irina faona no tonga eo
saingy mbola hoavy indray andro any
ilay tsy eo matetika ka hanjaka izy amin'izay! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tapitra | TAPITRA | RFE Andria | TAPITRA
Dia nisoka ilay masoandro
Any ambadik’iry bonga
Toy ny hoe manadrohadro
Satria vao tsy ela no tonga
Dia nisintaka ny volana
Nadifin-drahona mavàny
Ny tarany botsiaka, olana
No nandrakotra tomany
Irony kintana, niery
Salovanin-draho-matevina
Ity foko manirery
Anaty hantsana sy tevana
Soa ra-Tsiky mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kely-ny-finoako | KELY NY FINOAKO | Fredy Jaofera | KELY NY FINOAKO
Kely ny finoako
milaza fa fitiavana
ny vava sesehena ;
hery izay nisoko
no nahatongavana
fa tsy fahendrena.
Kely ny finoako
mitory fa dia mety
ny latsalatsa maro ;
aoka re ny foko
hisento vetivety,
na tsy be mpiaro.
Kely ny finoako
ra'izay hahatafita
no mba tao an-tsainy
ka efa vokovoko
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilmamy-a/ora | ora | iLémamy A | Ora,tsy azo averina;
Ora,mampanenina;
Ora,zary lasa tamberina;
Ora,tsy hay leferina.
Ndrisy ry ora,miodina moramora;
Nefa vetivety dia hoe tapitra ny ora;
Ry ora,ataoko ahoana ny hitazonao?
Fa hay ianao toin'ny rivotra,ka hiainako tsotr'izao.
Ry ora,fetran'ny fiainako;
Ry ora,fetran'ny fanaintainako;
Ry ora,r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/toy-ny-afo-mandoro-satri | Fitia | Zoky Eric | toy ny afo mandoro
satria ny foko torotoro
nohon'ny fitia lasa loatra
ka misofy sy mandroatra
io fitiavana io mantsy
dia maranitra otran'ny antsy
ka manindrona ny fo
raha hatao kitoatoa
fa ny fo rehefa tia
dia faly mankafia
tsy mahita ny hianjerana
sy izay mety ho fiafarana
ka tokony ho hajaina
mba hahasam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/tsikaritro-mazana-eny-an | Tsikaritro mazana, eny an | Ra'Ony | Tsikaritro mazana, eny andalako eny
maso iray mijery, toa vava te iteny...
nefa miafina, mangina, mandositra ny tavako
azoko ambinany, te hanonona ny anarako...
Dia mahagaga ahy, fa mifanena amiko matetika,
nefa dia tsy hitako, toa sanatria nilentika...
Angamba hoy aho matahotra
Matahotra ny ho tratra
matahotra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/vonin-draozy | VONIN-DRAOZY | Zoky Eric | Vonin-draozy mavomavo
ny fiainako eto antany
satria voafingana ka lavo
niakarapoka amin'ny tany
Vonin-draozy menamena
ka mitombo hery foana
tsy hosena na ho lena
mandrapahatapitrin'ny taona
vonin-draozy fotsy mavana
manambara fahasambarana
mampitsiry ny fitiavana
mamp... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahiry-andry-lafatra/ny-fitiavako-ve | Ny fitiavako ve?... | Tahiry Andry Lafatra | Tsy fitian'ny marivo salosana
Fa fitian'ny olo_mandinika
Raha saromana saro_totofana
Tsy voadiniky ny olona vinitra
Fitia tena latsaka anaty
Lalim_paka mafy fongorina
Efa nisotroiko ny aleoko maty
Tomboka havatsa tsy azoko esorina
Toy ny otrik'afo mandoro tsy laitra
Misoko mangina ao anatin'ny foko
Hiafiko iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elinivo/kisan-jaza | KISAN-JAZA | Elinivo | Mba halako ry Neny ny mahita ireny zaza
Sendra mba tantanan- dada
Sy mahazo izay tadiaviny
tsy lefitro ny rabiny.
Fa mba ilay hoe Dadako iny izao?
Ny nahitako azy farany
Ilay izy niebo teto hoe nahazo :zanaka vaovao:
Miangatra izy, f'izaho angaha tsy zanany?
Izany kosa ve ho rariny
Fa na ilay zandriko fiaronao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/naleoko | naleoko | JNB | naleoko ihany teny foana
teny foana tsy nahita anao
tsy tankatro ireny hery miafina ireny
tsy aiko hoe fa maninona no itako ianao
ekeko tsy mifandray akory isika
fa nanenenako ny nahita anao e!
tsy safidin'ny foko
sady tsy safidinao
fa nampijaly ahy ny nahita sy mbola mahita anao e! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/fohazy | fohazy | RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison | Eny,ndeha fohazy indray
Ilay fitiavana efa niotrika efa ela
Sy ny hambo-po manesika anao te-hivoatra...
Fohazy koa ny fanantenana,hampandresy anao hatrany!
...Eny,fohazy izany anio,
Ary izao no tadidio:
Mpandresy ianao anio!
Mpandresy sady manantena
Ary koa vonona ny hiady,
Tsy hiamboho adidy,
Tsy ho diso sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsaroako | TSAROAKO... | RFE Andria | TSAROAKO…
Andro paka toy izao
No narindriko aminao
Ny varavaran’ny fitia
Ary izany ve? Satria
Ny anao lasan’olon-kafa
Izay nahay nitafatafa
Tanaty haizina ny foko
No niery, nitakoko
Tsy nahatraka fa nanjoko
Tsaroako, eny tsaroako…
Soa aho lavo tamin’iny
Ary tsy mba hanome tsiny
Fa kosa hahay hamindra
Ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/tiako-ianao | TIAKO IANAO | Zoky Eric | hafaliana tsy ho voafetra
zany hafaliako ry malalako
satria ianao dia hitoetra
mandrakizay eto anilako
hafaliana tsy ho voafetra
zany hasambaranao
satry ny amiko rehetra
dia hatosako eo atratranao
hafaliana mandrakizay
ny miana eto anilanao
anaovako voady eo @ Ray
fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilmamy-a/fitiavako-mpivahiny | Fitiavako mpivahiny | iLémamy A | Tiako ianao ry olon'iny,
Eny tena tiako loatra,
Nefa aza omenao tsiny,
Ity fitiavako te hitraotra.
Mba tiavo re aho,
Sy ity foko manirery,
Fa tena tia anao,
Ka aza avela hitia irery.
Tiako ianao ry mpivahiny iny,
Eny tena mamiko tokoa,
Sanatria raha izay hoe redirediko iny,
Fa toa tena teny voalaokan'ny fo.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tafatsangana | TAFATSANGANA | Fredy Jaofera | TAFATSANGANA
Tafatsangana ny Tompo
ka mba nahazo fitahiana ;
misosasosa itony kompo,
tobaka eto ny hafaliana.
Tafatsangana ny Tompo,
tonga koa ny fandresena ;
rarak'ompana ny dompo,
n'aiza n'aiza, famonjena !
Tafatsangana ny Tompo
ka miderà, ry olombelona ;
irariana ho toy ny jompo
ny fitiavantsika velona.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/ny-tananako | ny Tananako | Zoky Eric | Ny Tanana niaviako
no tany tena tiako
nahatsapako ny mangidy
vato soa sarobidy
ny tanana niaviako
dia tanana fifaliako
satria tao no nanefena
harena sy volamena
ny tananako fahiny
dia tanana tia vahiny
kanto sady tonga lafatra
hamoronako ankamantatra
aiza ary no toerana tiako ?
any amin'ny tany fiaviko
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/tokim-pitia | TOKIM-PITIA | Zoky Eric | RIJA:
manahoana ianao ry Lala
ary avy aiza izato ianao
no maika be toy izao
sa mody tsy te halala
LALA:
azafady re fa tsy hitako akory
fa tsy hoe tsy te halala
fa izaho ve olona adala
sady izaho koa tsy matory
R: zany ve no tena marina
izaho mantsy niahiahy
sao ianao lasandr' i zalahy
ka ho lavo aho ka tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dahfara/ny-adidintsika | Ny adidintsika | dahfara | Efa tonga ity ny fotoam-pahavaratra
Sokitsokiro daholo ny tatatra
Ny sase sy tavoahangy plastika
Aza ariana eny sao hanahirana antsika
Ô ry kaominin'Antananarivo
Ny adidy sy andraikitra ampahatsiahivo
Ny mponina ety @ faritra iva
Averimbereno maraina sy hariva
Raha misy kamiao hitanao eny andalana
Hanototra t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilmamy-a/vaky-fo | Vaky fo | iLémamy A | Toa injay injay aho toa te hilaza ny marina aminao,
Saingy indrisy,izy hatrany no hinoanao,
Isan'andro isan'andro.
Voatapiny amin'ny angola ny fonao,
Rotsirotsiny amin'ny voady sy toky ny fitiavanao,
Dia mino ianao,natoky ianao,
Isan'andro lava izao.
Mitsiky ianao mahita ahy,tsy mahafantatra akory ny marina.
Ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/inay-anie-aho-inay-an | INAY ANIE AHO…
Inay an | RFE Andria | INAY ANIE AHO…
Inay anie aho mba tsio-drivotra malefaka
dia ny laingon-tavanao no ho nosafoiko
ary ho nitsofohako eny an-tsefatsefaky
ny fitafianao, manitra amboloiko
Inay anie aho mba railovy tsara feo
dia ho nohiraiko ny hira soa milanto
handrotsiako anao tsy mba ho leo
fa hampanonofy nofy tena kanto
Inay an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tononkalo | TONONKALO | RFE Andria | TONONKALO
Lasa ratorimaso
Olana fa tsy ankaso
Nefa mila matory
Hialana amin'ny sorisory
Ampindramo fampatoriana
Fa tsy manana olon-tiana
Tsy misy iondankondanana
Tsy misy afa-tsy ny tanana
Ny masoko tsy mipika
Ny saiko efa lany fika
Hany sisa ka tononkalo
No ifaharana tsy hampimalo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenosoa/fitiavako-anao | fitiavako anao | Fenosoa | omeo fanadinoin ny las a
hanasitranak ny ankehitriny
omeo fitiavan vaovao hatrany a
hanadinoak ireo fahin
ekek f mis ny fanadinoan
ireo ts tadidik sy ireo ts tsaroana
indrisy ry alin nigogogogoana
nanjary fatsiarovan ts hay adinoan
angamb tsy anjaran'ireo tsaroak ny adin
nh izy mbl msisik kl ao an-tsain
ataok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/ianao-ilay-tia | IANAO ILAY TIA | Ora | Raha vao mifoha maraina
miramirana aok’izany
toa paradisa ny eto an-tany
…tia ianao izay
Toa tsaroana eny foana
reo teny mamy sesilany
nandaniana ny fotoana
ireo karazan-tambitamby
…tia ianao izay
Ireo karazana angola
ny tositosy sesehena
niarahana nidola
tan-dalana sy teny an-tsena
…tia ianao izay
‘Reo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andria/taraiky | TARAIKY | andria | TARAIKY
Raha iny izaho mbola tsy nilaza...
Ary mbola tsy sahy nanoka_bava...
Fa ianao 'lay tiako sy iriko
...Dia naheno vaovao aho...
Fa nodimandry omaly hariva ianao..
Teo aho vao nanenina,
Hoe takizay notenenina
Amin izay mba fantany sy misy dinihany any ankoatra
Hoe TIA AHO fa tsy afa nanoatra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/ny-fisaorako | Ny Fisaorako | Joda Razakasoa | NY FISAORAKO
Ny fisaorako no atolotro ho anao
Ny TALENTA izay nomenao ahy
Ry RAIKO be fitia! izay ao an-danitrao
ka nahatonga ny aingam-panahy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vazivazo/namako-ianao | Namako ianao | vazivazo | Niresaka isika tanaty sera
tsy voafetra-potoana
Finaritra ery mifanala azy
dia nivazivazy an-tsari-teny
Ny maraina sy atoandro
Dia indro isika
nifanoratra eo foana
Nefa ankehitriny
toa very momoka avokoa ireny
Eny! asa loatra,
tena mba tsy haiko
hoe fa dia naninona?
Izato ianao
toa niova tampoka sy vetivet... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-fiainako | NY FIAINAKO | RFE Andria | NY FIAINAKO
Ny fiainako?
mahalasa ny fisainako
izato lalana izorany
sy ny loko isalorany
Ny fiainako?
tsy misy tokony hitarainako
nefa koa toa tsy sambatra
mbola mampihambatrambatra
Ny fiainako?
tsy zoto na koa fahalainako
toa vony tsisy fofony
mamovoka ny tora-jofony
Ny fiainako???
Ny fiainako!!!
Ny fia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/iza-moa | IZA MOA? | ILIMIM JIVISDI | Tsy laviko fa any
Misy hafa noho izaho
Tena miadi-tsaina
Satria tia anao
Torovana ny ainy
Misaina anao mangiana
Ny varavaram-pony
Maniry ho olon-tiana
Samy tia ‘zahay
Tsy laviko satria
Na izaho na izy
Dia samy tena tia
Anao ny teny farany
Ho an’iza moa ianao?
Izy tsy mahafoy
Izaho koa tsy andao!
Ka iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhdanimasound/ny-hahasoa-anao-ry-taniko | Ny hahasoa anao ry taniko | RHDANIMASOUND | NY HAHASOA ANAO RY TANIKO
Ny hahasoa anao ry taniko
Tsy ambaniako, tsy hamavainiko
Mamy ianao, tiako hatrany
Nosy meva aok’izany
Samy anananao tokoa
Rehefa mety ho voahary
Kanto ianao, tena soa
Paradisa miharihary
Maro koa ireo vahiny
Mampiseho ny faniriany
Te-hamangy sy hamantatra
Ka tsindrian-daona fatrat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/ny-tenikogasy | NY TENIKO | Joda Razakasoa | Raha ny marina no lazaiko
dia ny teny Gasy no andriandraiko
ilay filamatro efa ela
hoe ny teniko tsy ho afaka ao an-dela
Ny hoe vao tsy miteny vahiny
dia tondrontondroina hoe tsy mandroso iny
Vao tsy manao ny fitafy
dia lazaina GASY miafiafy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/masina | MASINA | Fredy Jaofera | MASINA
Masina ianao, ry teniko,
ka n'aiza n'aiza, arovako
toy ny anakandriamaso !...
Tsoriko aza na tsy afeniko
fa mbola anjara lovako
tsy ilana hasohaso.
Masina ianao, ry teniko,
ka tena hajaiko fatratra
mbola haharitra ela be ;
tiako toy ny reniko
fa teny tonga lafatra
ao am-poko, na tsy re.
Masina ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-tenindrazako- | RY TENINDRAZAKO ! | Fredy Jaofera | RY TENINDRAZAKO !...
Raha tsy teo ianao, ry teniko,
tsy ho nanoratra ny peniko
fa dia fitaovam-panoratana
tsy azo nanandratana
ny fiteny malagasy
tao anaty taratasy.
Raha tsy teo ianao, ry teniko,
dia angamba ho nafeniko
'reo karazan-kasambarana
rako-tsento sy fiakarana
efa indro voatahiry,
na tsy fahita fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/soraty | Soraty | RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison | Misy teny te-hitroatra,
Miovitra,mandroatra
Ao anatinao,
Ka mila tsy ho zakanao?
Teny te-hitanisa,
Ny hafatra an'isa
Izay tianao ampitaina
Am-piarahamonina, sombiniaina?
Teny te- hambabo
Ny fo tian-ko babon'
Ny fitiavanao,
Sy izay ho maminao?
...Koa ndeha soraty io teny io,
ndeha akambano dia rario!
Ka ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-taniko- | RY TANIKO !... | Fredy Jaofera | RY TANIKO !...
Rahoviana ianao, ry taniko,
no tsy ho tanim-pihemorana
fa zava-misy mba tsy laniko
matoa lazaina sy fotorana ?
Rahoviana ianao, ry taniko,
no tsy ho tanim-pahantrana
fa hatramin'ireo tomaniko,
feno sento tsy hay rarana ?
Rahoviana ianao, ry taniko,
no tsy ho tanim-pijaliana
fa lasa ihany ity v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/fa-iza-ianao | FA IZA IANAO? | Joda Razakasoa | Fa iza ianao?
No sahy mampijaly toa izao
Fa iza mba lazao?
fa mangirifiry izay tratranao
fa iza ianao no hirairaina?
ary toa tena andriandraina
fa iza kay ianao ry fitiavana?
no sahy mampahory ireo namana sy havana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilmamy-a/feno-anao | Feno anao | iLémamy A | Toa tsy ampy anambarako ny ato am poko raha izay teny,
Toa maivana loatra tsy mendrika ho anao akory,
Miezaka aho ny hitady voambolana mavesatra kokoa,saingy indrisy...
Toa tiako ianao hatrany ny teny masaka ato an doha.
Mamiko ianao ihany no asesiky ity foko.
Toa iangaviko zato volana ambony sy irony kintana iron... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/tokim-pitia | Tokim-pitia | RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison | Misy tovovavy iray mahagaga...
Toa babony avy hatrany ity foko kely
Izato hakantony e! Tsy ho lefy laza
Angamba fanaperana,anjely...!
...Koa indro izany fo fa hanantena
Fa raha mamboraka aminy eo dia ho ekena!
Ka ny faniriana avy ato anaty tsy ho laviny
Ka ny any mba irariana dia ny hotiaviny!
Koa tsy hitebiteb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/laviko | LAVIKO | Fredy Jaofera | LAVIKO
Raha ny teny vahiny indray
no misosasosa sy mba hay,
mila, hoe, hahavoazana
noho ny tenindrazana
dia azo ekena ihany
fa laviko avy hatrany
raha ny tiako indrindra
sy ny masina azo arindra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/averiko-aminao | AVERIKO AMINAO | ILIMIM JIVISDI | Averiko aminao, izay anao rehetra
Fitiavana miserana, fitia misy fetra
Fitia adaladala, namandrika ny heriko
Fitia tsy misy sandany, indro fa averiko
Fitia tsy ahy, fa nindramiko ihany
Saingy ny toloko, seranan’ny tomany
Indro fa averiko, averiko aminao
Fitia adaladala, fitia ankilabao
Fitia adaladala, fitiavan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitolona-aho-satria | MITOLONA AHO SATRIA... | Fredy Jaofera | MITOLONA AHO SATRIA...
Mitolona aho satria
maniry ny hiova dia
sy hivoaka ny tonelina,
mitady ny hahadomelina
ary mila hampidi-kizo,
na manàko hoe : Tohizo !
Mitolona aho satria
tsy jamba, sanatria,
ka tsy mahita akory
ireo mijaly sy efa ory
tao anaty fahakiviana,
tsy mba nisy fitahiana.
Mitolona aho satri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hitler-beofo/talao-hoany-fo | Talao hoany fo | Hitler Beofo | Veroko any anaty
No nalalako ny fahadisoandalako
Ny alahelo miha mafy
Mitsiry fona ka tsy tantiko
Fananganan'kevitra
Maniry fona any antsaiko
Ny foko miha mirehitra
Handoro ny tova aman-tsinaiko
Rovitra ny marina
Ka lasa ny diso no miseho
Ny foko anao angamba no manarina
Sy mitsara ireo zava miseho
No terek... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hitler-beofo/aza-latsaina-iray | Aza latsaina iray | Hitler Beofo | Fandrobana
Fanaratsina
Fitsikerana
Ka tsy Irina
Fiavian-tsika
Nanirian'ireo lasa
Iarahan'tsika nahita
Ny tolona sy falin-kasa
Latsaina
Tsy omen-kasina
Viraviraina
Robatina eo amn'ny teora masina
Gasy miray angovo
Tsy mitovy fijery
Ianareo izay mb namaky lala sy noro
Ka tokony hitabatra ho iray hery
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mi-antsa/raha | RAHA..... | mi-antsa | Raha toa ka sanatria tsy ho eo anilako intsony
No voalahatra fa tena hahasambatra ny fony
Tsy maninona tsy akory,tsy maninona zakaiko
Fa ny hahasambatra azy no tsy maintsy tontosaiko
Ho inoko ny hafaliana raha toa ny olon-tiako
Ka tsy mahatsapa intsony ny filàna ny fisiako?
Fitiavan-tena tafahoatra,fisomparana ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rahatrizay | RAHATRIZAY | Fredy Jaofera | RAHATRIZAY
Rehefa tonga ilay fotoana
ka mba handaozako ny tany,
dia tandremo sao misaona,
na halahelo sy hitomany.
Rehefa tonga ilay minitra
ka hikimpiako ho doria
dia raketo fa tsy ho ritra
ny ao am-poko mbola tia.
Rehefa tonga ilay anjara
hampisaraka amin'izay
dia mionona fa tsy tsara
ny hisento toa tsy h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-vao | RAHA VAO... | Fredy Jaofera | RAHA VAO...
Raha vao alahelo
no mameno ny fo
dia indro manelo,
tsy hay ny manjo.
Raha vao hafahafa
ny fiainako etoana,
ny ho any no hitafa
no tena haravoana.
Raha vao manirery
ny nofo efa reraka,
ny tsiahy re manery
ny hivazo tanteraka.
Raha vao hetaheta
ny hizotra mankany,
ny hoe : " mahareta "
dia tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/taratasin-olon-tiana | TARATASIN’ OLON-TIANA | ILIMIM JIVISDI | TARATASIN’ OLON-TIANA
Any ianao r’ilay malalako
Izaho manoratra hoanao
Raiso aloha ny soratanako
Ka inona ny vaovao!?
Saingy kosa mahatsiaro
Manembonembona mazàna
Ny alahelo koa dia maro
Ny aty aloha tsy be ambara
Fa miadi-saina sy mangiana
Toy ny zaza voarara
Satria tsy anilanao ry tiana
Inona ny vaovao
S... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/rava | RAVA... | ILIMIM JIVISDI | Vetivety monja tsy tazana akory
Lasa tsy tamana ilay afo nampiray
Ny embona no sisa tonga oriory
Rava ilay fitia, rava teo ny anay
Angamba tsy anjara sentoana ao am-po
Tsy hita nosamborina, kirizana hitohy
Maty ilay fitia, rotika sy lò
Tiana sy lalaina kanefa dia nafoy
Lasa izy kanefa, tsy lavitry ny maso
Jere... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/lasa | lasa | dadatsima | eny lasa, toa mandroso ihany
ny fiainantsika ety
toa mandalo dia any
tsy vita akory ny dia.
toa mihevitra isan' andro
fa andro vao sy mamiratra
no ho avy kanjo famataranandro
efa mikisaka mihitatra
dia gaga ianao fa sahady
io fa io le vavahady
tsy maintsy hidirana avy hatrany
f'izay no lahatra eto antany.
f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-teninao-ny-teninao | NY TENINAO | Fredy Jaofera | NY TENINAO
Ny Teninao no jiroko,
ô ! Ry Tompo be fitia,
ka tsy hohalaviriko
fa hitsilo itony dia.
Ny Teninao no lalako
maharavo ny fanahy
ka tsy mba ho halako
fa mainka aza hitahy.
Ny Teninao no heriko,
n'aiza n'aiza no aleha,
sy hany mba fijeriko
mamelona eto ange.
Ny Teninao no tokiko,
mamy foana sesila... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.