url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/i-neny-sy-i-dada | I NENY Sy I DADA | RK | Mifona izay ry neny
Mifona tamin'adalana ireny
Mifona fa maditra
izay nampitrapitra
Mifona fa namparary fo
izay tsy nahatonga saina anay tokoa
Ny ray mba niteny
tsy nihaino izay tamin'ireny
Nikapoka anay ankizy
Nikapoka anay izy
mamelona mitady vola isan'andro
mitady izay hoanina isan'andro
I dada sy mama
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/hitoetra | "Hitoetra" | Ramiadanarivo fetraniaina | Eto ihany re aho fa tsy hiova fonenana
Tsy hitady any an-kafa na oviana na oviana Hitoetra eto mbamin'ny famerenana
Ny lasa toa mamy 'zay tsy mba zoviana
Io ilay tranoko tsidiho isan'andro
'Zay mivoha varavarana vonona handray
Fa mandrapilentik'irony masoandro
Am-baravaran-kely no fiandrasanay
Tena mora hita ity... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanajary-vaovao/mpanazary-vaovao | Mpanazary Vaovao | Mpanajary Vaovao | Raha ny tononkalo izay ataoko,
Dia ho anao ry Gasikara.
Hitantarako ireo tsy teliko,
Na ny ratsy na ny tsara.
Ny fitiavana sy ny tontolony,
Ho vetsoko anao ry Gasikara.
Na mamy na mangidy,
Ho reketiko ho tantara.
Fiainana tsara sy ratsy,
Ho tonga fitiavana ray.
Firaisakiana no hery ny gasy,
Manjam-patonga ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/fahatsiarovana | Alarobia hariva | RK | Andron'ny alarobia hariva
No nampisy aingam-panahy
Andron'ny alarobia hariva
No nahitako ny anjara ho ahy
Andron'ny alarobia hariva
Nitoriako voalohany ny fitiavana
Andron'ny alarobia hariva
Afenina aloha fa tsy hambara an'ireo havana
Andron'ny alarobia hariva
Niarahana nisakafo
Andron'ny alarobia hariva
Nia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahfaly-rt/ditra | Ditra | Mahfaly rt | Tsy didy fa baiko
tsy maitsy ho araiko
fa mbola tsy aiko
izay anaingako n fiainako
andevo zahay no tsy maintsy manaraka
farito ny mahay hoe ilay teny filamatra
fahendrena sa ditra
vola sa harena
samy dia tiako fa maha mosarena
ilaiko ny ditra
ho tantaraiko @ taranako
fa raha izay fahendrena
tsy ilako izay m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/tsiaro | "Tsiaro" | Ramiadanarivo fetraniaina | Miangavy ampio
Hivesatra ity
Enta-tsy zaka
Avia ampio
Avia ivazoy
Ry hany mijoro
Ry hany tsy foy
Ka tsy mba mikoro
Avia fehezo
Ny foko mitempo
Ka ampaherezo
Fa tena misento
Ampifalio
Ity foko tomany
K'ireny tadio
Mba esory any
Mikiry manangona
Ho tody eny am-pita
Izany no tanjona
Iriana ho vita
Mifo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/ampitahao-fa-misy | AMPITAHAO FA MISY.... | ILIMIM JIVISDI | Misy tontolo azo sokajiana roa
Kanefa misy koa ny tsara ho fantatrao aloha
Ekeko misy fatrany, ‘zay…heveriko ho sahabo
Saingy moa ve izany…. Ampy, Ilazanao, f’izy Babo ?
Misy tena misy voninkazo Niangaliana
Misy tamin’ ireny vita sikotry ny Tiana
Mibaribary an-tsary nefa “Kary” tsotr’ izao
Tsy hanànany akory ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/vavakilay-tia | VAVAK'ILAY TIA | Aina Nirina | VAVAK'ILAY TIA
Ry Andriamanitro ô mba tahio,
'Lay tokan'ny foko mba vangivangio,
Fa fitiavana tsotra no niarahanay,
Saingy madio sy masina eo anatrehanao ry Ray.
Ka mba tahio re ny fianarany,
Tolory fahaizana eo am-pelatanany,
Ampitomboy ny fahendrena ananany,
Ka ho sambatra 'ndrindra izay rehetra ho namany.
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/namana | Ny tanora namako | RK | Tiako ny tanora
Raha ande amin'ny fiainana milamina sy moramora
Fiainana tsy misy manelingelina
tsy miaraka amin'ny
zava-mahadomelina
Fiainana ho fitaratra
Fianana mamiratra
Raha fitiavana no atao
aza miditra amin'izany
aloha amin'izao
fa tsiafaka intsony
manenina ary irony
fa voadona,mitondra takaitra
Aza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanajary-vaovao/ny-fialako-ety | Ny fialako ety | Mpanajary Vaovao | Maro ny hitomany sy hijaly,
Raha tonga ilay fotoana.
Ho tambesarany akivina,
Fa nilaozan'ilay tia.
Toa nofinofin'izy ireo,
Ny fahitana ahy manoratra.
Toa tsaron'izy ireo,
Izaho mivavaka miankohoka.
Alahelo sisa no mikiky,
Ilay fony feno fitiavana.
Satria aho tsy hita intsony,
Fa efa vovoka any am-pasana.
An... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-foko | "Ny foko" | Ramiadanarivo fetraniaina | Tsy haiko hoe maninona
Ny foko tato ho ato
Tsy haiko hoe nahoana
No tsinindron'ny vato
Fa raha izany foko
Tsy mendrika ho deraina
Fa tia miova loko
Ka mampiferin'aina
Raha iny mba nanorina
Dia rava fa narodana
Ny marina notsorina
No nahatorovana
Aiza ianao ry tiana
Fa manina aho ange
K'ireny hafaliana
Hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/tsiky-tsikinao | TSIKY TSIKINAO | ILIMIM JIVISDI | Velon-tsioka mora ho' aho ny manodidin' ahy
Hiantefan'izato tsikiny malefaka sy sahy
Fa sahy mandrantiranty ilay hakanton' iny sisiny
Dia ny Bika tsara rafitra natosakin' iny nifiny
Fa iny nifiny iny ô mahagaga ahy fa fotsy
Mangatsaka ny fiainako ao anaty feno rotsy
Dia sondriana iny rotsiny manaranara-kefa
Mba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/diary | "Diary" | Ramiadanarivo fetraniaina | Ity tokana tsy tontan'ny ela
Dia tsara notanako tsy mba navela
Zavatra tokana tsy hay adinoina
Tokana an-tany ka kolokoloina
Tanana iray satry hivahianana
Raha iny handao azy dia mikopa-tanana
Satry hitomoerana mandrakizay
Tanana tsy foy nibeazana anay
Irony vohitra nitazatazanana
Loharano nipoiran'ireo enti-m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/aminizany | Amin'izany | joseclaudio | Amin'zany
Amin'ny andro izay itenenan'ny moana,
Sy jamba izay hahiratra!
Amin'ny andro iletehan'ny masoandro any atsinanana.
Amin'ny fotoana iverenan'ny ora iray hitorona...
Dia hoy aho hoe:
Tonga ny tamberina fa miverina ny didy.
Ka isika indray no mpiasan'ireo zavaboahary.
Ka hotakiany aminao ireo taratra nat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/raha-te-ho-vonjena | RAHA TE HO VONJENA | ILIMIM JIVISDI | Ry namana tiana
Mba fantaro kely
Aza variana
Fandrao dia ho very
Raha te ho vonjena
Dia manaova ny marina
F'izay tia tena
Any ankady no mivarina
Mibebaha dieny izao
miomana sao tara
Ny ota avelao
Ka manaova ny tsara
Mazotoa re mivavaka
Amin'ny andronao sisa
Fa io no mandravaka
Ny lalam-paradisa
Raha mbo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/nofy-mamy | NOFY MAMY | ernest2015 | NOFY MAMY
Nisy tovovavy iray izay hitako nanaitr'anahy
tsara ny bikany, tsara tarehy, ary tsara fanahy
manao "Robe" fotsy toa mifintimpintina kely
Hey! mahafinaritra ahy, izany ka anjely.
Mamirapiratra, manintona ny maso sady manimanitra
toa manidina avy eny ambonin'ny habakabakin'ny lanitra
midina moramora izy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/taiza-ity-fitia | Taiza ity fitia | RK | Zany fitiavako anao
Toa miredareda ao am-poko ao
Fitiavana be mpankahala
Fitiavana be mpandrara
Fa taiza no nihavian ' ity fitiavana
fa toa manana daholo ireo namana sy havana
Niainga tao am- po
Ary mirakitra ao an-doha |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/vetsovetso-takarivan-olon-tiana | VETSOVETSO TAKARIVAN' OLON-TIANA | ILIMIM JIVISDI | Raha nisidina nanakatra ny lanitra ny vorona
Dia anjaran'ito saiko indray izao no lasa amborona
Satria ny antokon' androko rehefa lany atao
Dia aza omena tsiny raha hiantefa any aminao
....Rehefa mby ka dila koa ny tara-masoandro
Dia ontàny iray ny foko toy ny fofona nahandro
Satria ny hanitrao izay nitoetra fa t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianirison-jude/fisarahana-ve | Fisarahana ve? | RK | Tany amin'ny Toerana iray
no nifalalako anao tamin'izay
Dia niresaka isika
De nifankahazo ao am-po
tsy aiko nofafana ny anaranao
fa noraketiko ao an-doha
Nandeha anefa ny fotoana
N'deh hody fa misy miantso foana
Ndeh hiverina any an-tanindrazana
izay nipoiran'ireo razana
Nalahelo izaho nalahelo ianao
fa de r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanajary-vaovao/embona | Embona | Mpanajary Vaovao | Nisy alahelo sy tomany,
Teto Madagasikara.
Tamin'ny andro fandranahatany,
Moa mba fatatrao izany.
Novonoana ireo gasy,
Notifirina ny basy.
Ka ringana sy maty,
Noho nataon'ireo vahaza.
Saingy,
Saingy mbola honeny,
Fa hiarina ny gasy,
Hamerina ireo natelina,
Ho vonoina ireo tsy vanona.
Andeha isika gasy,
An... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jojudi/ny-vehivavy | Ny Vehivavy | jojudi | Ny vehivavy no lazaina fa mpanjaka
Nefa toa tsy marin'izany,mpandainga ny vavany,mpamitaka ny molony
Raha mbola misy koa vehivavy dia ny ranomaso no hanjaka
Ka atao hoe mpanjaka tia tena fa masahy mamitaka ny olony
Ny vehivavy hono no amboara
Hiadian'ireo lehilahy,hajaina sy koloina
Ekeko nareo fa tsara
Anefa mo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/ny-reny-sy-ny-zanaka | Ny RENY sy ny ZANAKA | Ora | Ny reny no mizaka
Ny havesatrin’ny jaly
Midona amin-janaka
Ny reny no misotro
Ny ngidy rehefa tojo
Ady sarotra ny zanaka
Ny reny no mihafy
Amin’ny tenda maina
Sao tsy mihinana ny zanaka
Ny reny no manandratra
Sy mitrotro am-bavaka
Ny fiainan-janaka
Ny reny no tomany
Anaty fo mangina
Raha sedra fahoriana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/havana | HAVANA | jyno | Fa havana manko ianareo
Iray ra sy raza-nihaviana.
Ny endrika avia ange jereo
fa tsy mba sarotra ampitoviana.
Indry izao dia i Bebe napetraka
na ny endrika na ny fijery
ny takolaka mavesabestra
Natahotra tsy ho zafikely.
Raha nitazana anao aho Razoky:
I Dadabe io fa nasiana sanga.
Raha ianao no somary nanjoko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ontsa | "Ontsa" | Ramiadanarivo fetraniaina | Mahereza zandry
Fa na ory lava ianao
Dia ny mba ataovy andry
Re ny Tompo ambony ao
Hampahery anao hatrany
Hampitsaha-dranomaso
Hampitsahatra tomany
Hampitsahatra ny ankaso
Fa ianao ry zandry tiako
Mendrika ho tiavinay
Ary ny mba faniriako
Ianao mitoetra an-tranonay
Atsaharo ny tomany
O ry zandriko malala
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/voninkazo-adala | "Voninkazo adala" | Ramiadanarivo fetraniaina | Voninkazo tena adala
Tsy mba mahay mitony
Nefa efa mahalala
Fa tsy tiana intsony
Ka misisika hatrany
Na dia efa laviny
Ratsy loatra an-tany
Tsy mendrika ny ho tiaviny
Voninkazo toa mitapy
Fa mbola mitia ihany
Matetika voajapy
Indro fa tomany
Asa raha misaina
Ity voninkazo ity
Fa mampiferin'aina
Nefa mar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-mahatsara-ahy | NY MAHATSARA AHY | RFE Andria | NY MAHATSARA AHY
Ny eo akaikinao, Jehovah ô ! no mahatsara ahy
Eo no hany mampitony ny sentom-poko sy ahiahy
Eo ihany koa ny olana sy izay rehetra mampahory
No manjary toa maivana sy tsy henoko akory
Eo ny alaheloko rehetra, ranomaso sy tomaniko
No zary lasa foana, soloinao fotoana mamiko
Eo aho no miantoraka re... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/ampio-fa-tsy-sahy | AMPIO FA TSY SAHY | jyno | Ray o! Ireny fahotako, ireny hadalako
angataham-pamelana
Toy ny jaky izy ireny fa ho fotsy hangatsakatsaka
raha toa ka hosasana
amin'ny Ran'ny Zanakao
'lay nahafoy ny ainy hanavotana ahy
Ray o! Diso aho!!!...
Ampio hitraka fa tsy sahy!
Fa marefo itony nofo ka nandentika ahy
tamin'ny lavaky ny ota
Tsy nanaja n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-lalani-kristy | NY LALAN'I KRISTY | Fredy Jaofera | NY LALAN'I KRISTY
Ny lalan'i Kristy
no lalam-pamonjena,
maro mpankafy
sy misy fandresena.
Ny lalan'i Kristy,
lalam-pahamarinana
mbola kanto ery
sy feno fanambinana.
Ny lalan'i Kristy,
lalam-pahasambarana
andrianina satria
tena ohatra azo ianarana.
Ny lalan'i Kristy,
lalam-piainana tsy roa
mambomba fitia
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/izy-ireo | IZY IREO | jyno | Any no mihatra ny didy aman-dalana
Any hono no motontona ireo titi-pampivoarana
Any no itakiana ny an-tapitrisa mety ilaina
Any koa no fototry ny tohatra fiakarana.
Izy ireo no traboina raha misy rivo-doza
Izy ireo no kere raha misy hain-tany
Izy ireo no malaza ho mpangalatra, mpandroba
Izy ireny no mpanendaka a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jyno/ora-mamiko | ORA MAMIKO | jyno | Ny ora mamiko indrindra dia izay nipetrahako teo anilanao.
ka nanononanao ny anarako sy nanoloranao tsiky ary ny sanginao mahery
Varakitra ho tsiahy tsy mety hadinoina ireny hatramin'izao
Fa ora mamy ho ahy, fotoana tiako indrindra ka tsy avelako ho very.
Ny ora mamiko indrindra dia ireo ora maromaro niarahana nilo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jojudi/masoandro-mpitiavako | Masoandro-mpitiavako | jojudi | Tiako ianao...
ilay masonao mijery toa masoandro mibaliaka,
tiako ho ahy irery,nefa mandoro ity foko
ity foko koa adala,miaritra tsy fidiny
miaritra,ny ngidin'ny fijaliana te hitoetra anilanao
eee! toa ngidy misy mamy
satria mamy ny mitia
fitiavana lehibe,maharakotra ny tany
ity tany feno anjely fa tsy misy toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/tsory-amiko | "TSORY AMIKO..." | ernest2015 | "TSORY AMIKO..."
Tsory amiko ry Dada sy neny
Hoe: izaho ve zaza very?
no tsy mba avelanareo toa zareo mianatra
tsy mba misy mpananatra.
Tsory amiko ry zoky sy zandry
hoe: isika ve mpiray tampo?
no izaho irery avelanareo miandry
tsy mba misy faharoa.
Tsory amiko ranabavy
hoe: izaho ve tena anadahinao?
no tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/feno-anao-aho-vao-mi | **FENO ANAO AHO** | Tahina Fabien | **FENO ANAO AHO**
Vao misokatra ny maso
Dia ianao no ao an-tsaina
Feno loatra anao ny amiko
Satria ianao no holalaina
Reo manodidina ahy rehetra dia heveriko tsy misy
Ilay fitia tsy misy fetra izay natokako ho anao
Te ihika mafy foana iantso anao nefa indrisy
Noho ny elanelan-tany no hany sakana vaovao
Na izan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/antsan-dokanga-izay-sendr | "Sora-peniko" | Ramiadanarivo fetraniaina | Antsan-dokanga izay sendra reko
Ventsom-baliha mandona fanahy
F'izay nisy tamiko indro nomeko
K'ireo izay nahazo dia tsy mba nanahy
Tendry gitara natao sesi-lany
Feon-kiritsana mananika sofina
Ilay toka-nazava ambonin'ny tany
Nanohitra foana nanda ny ho tsofina
Voro-mivazo mamoha maraina
Ny akoho amam-borona r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/tianao-aho-teny-kely-ira | **Tia anao aho** | Tahina Fabien | Tianao aho
Teny kely iray manja
No atolotro ho anao
Teny kely nefa mafonja
Moa ve tia ahy ianao?
Tsy ho didy anefa izany
Na antery sanatria
Fa izay safidinao ihany
Na ho ENY na ho TSIA
Eny mantsy ry malala
Isika samy mahalala
Fa ny teny hoe TSIA
Dia fahavalon'ny FITIA
Dia veloma manantena
Hoy ny foko mita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/ry-taniko-ianao-ry-ta | **RY TANIKO** | Tahina Fabien | **RY TANIKO**
Ianao ry taniko
Ianao no mamiko
Ianao no andriko
Anao koa ny sandriko
Raha mbola nosy tiko
Dia ianao ilay niaviko
Tsy atakaloko ninon'inona
Na mahatra tsy manina
Naitako ny masoandro
Ka natokako ho tsara
Izay mampiaina ahy isan'andro
Dia ianao ry Gasikara
Ilay tany niaviko
Ahitana zava-tsoa
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/loza | "Loza" | Ramiadanarivo fetraniaina | Ndeha mandosira
Fa indro efa tamy
Atsaharo ny hira
F'izy any ho any
Mandehana milefa
Fa tsy hay intsony
Ny vely tiany alefa
Sao tsy mba hampitony
Ndeha ho aho mitsoaka
Fa tonga mba handringana
Tamy mba hamoaka
Ny vokatrin'ny dingana
O rey olona o! Milefa ianareo
Mananontanona any
Fa nahenoana feo
Redonin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fr/noely-fiadanana | Noely fiadanana | Fré | Shhh! ataovitaovy am ze itiavanareo azy le Noely de...
fetifeteo am fahitanareo azy !
Ankalazao am kalaza, sambàra am sabatra de...
Ataovy mipopoka am basy, kalak! kalak! kalak!
Hummm!
Ny ahy ? ao ampoko lalina ao,
ataoko hira vaovao.
Tsy be talao na koa toloko fa... izay vetsompoko,
hitambarako amin'ny TIAKO.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/embona-embonembona-t | **EMBONA** | Tahina Fabien | **EMBONA**
Embonembona tsy tana
Sentosento tsy mitony
Fa mba asa kosa lahy,
Izay ventsoventsom-pony
Ry alina mangina o!
Nofoazinao ny FAHATSIAROVANA
Ka vao maika aho mijaly
Ny foko izay TOROVANA
Raha mba vorona aho mantsy
Dia afaka nakany
Saingy tsy afaka manoatra
Noho ny elanelan-tany
Eny mantsy ry SOPATR... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-fitiavanao | NY FITIAVANAO | RFE Andria | NY FITIAVANAO
Na ny raviny halazo
Na ny voany tsy ho azo
Ny fitiavanao mahay
Mampitsimoka azy indray
Na hitresaka ny vato
Ka ny rian-drano hiato
Ny fitiavanao hamorona
Renirano safomorona
Na ho ripaka ny ala
Na hirodana ny vala
Ny fitiavanao no hery
Hanarina indray ny very
Na hatevina ny rahona
Na ny fiai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/ilay-famonjena | ILAY FAMONJENA | hjravs | ILAY FAMONJENA
Somebika, mirana,
faly sahirana
ery 'reto ankizy
revo izay ts'izy
amin'ireo kilalao
sy ravaka vao
tamin'Ingahibenoely;
f'ialahy, kosa, ry Bainina kely
adinony, angamba,
fa na kiraro na lamba,
kilalao sy ny sisa...
tsy nahazo ka io mitomany an-tanisa
iretsy an-kilonga.
Izy, letsy, tsy tonga
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/souvenir-i.....no-anarak | SOUVENIR | Tahina Fabien | SOUVENIR
I.....No anarako
Fantatrao ny tantarako
Mba hatsiarovanao ny anarako
Dia io ny soratanako
Souvenir tsy mba tsara
No antolotro ho anao
Nefa kosa manambara
Ilay fitiavako vaovao
Souvenir,souvenir hoy ny foko velon-kira
Sora-tananao ataovy hatsiarovako anao
Izay ary ny teniko
Ka apetrako ny peniko
In... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/ho-anao-irery-ihany-ho-a | **HO ANAO IRERY IHANY** | Tahina Fabien | HO ANAO IRERY IHANY
Ho anao irery ihany
Ny FITIAVAKO rehetra
Ho anao hatrany hatrany
Ho anao tsy misy FETRA
Matokia manana ahy
Ka mitrebona eto an-tany
Sy mameno fanahy
FITIA tsy mety maty
Fa fitia tsy mba miofo
Ry malala tiko loatra
Raha hilofoka ny nofo.
Izy ivelatra any akoatra
Tsy mba lasalasan'olona
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/avelao | AVELAO | RFE Andria | AVELAO
Aza tiavina intsony akia aho
Fa toy ny ravina tsy amin-taho
Maina, makiana sy efa malazo
Aleo ianao mitady izay sarivazo
Izaho, he! indrisy tsy manan-komena
Na ny fitiavako aza toa tia tena
Faly mandray sy faly mitaty
Mova tsy toy ny ranomasina maty
Aza manahy, avelao aho ho irery
Fa mahonena tsy mahat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/olombelona-aho | OLOMBELONA AHO | hjravs | OLOMBELONA AHO
Raha mbola nanonofy nitety ny habakabaka
sy tontolo miavaka
ny foko sy ny saiko
satria nohindrahindraiko
ilay "fanahy no olona",
ka niady aho sy nitolona
tamin'ny mahanofo...
Dia tonga ianao, nanova ny vato mba ho mofo...
ary sahy nihantsy
fa ny tsinay, ange, tsy mba vatsy.
Narantinao hivelatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-lasa-sy-ny-ho-aviko | "Ny lasa sy ny ho aviko" | Ramiadanarivo fetraniaina | Manome toky aho ry ho aviko fa hiova tokoa
Aza omena tsiny raha toa ny nataoko tsy nety taminao
Aza omena tsiny raha toa aho namafy kanefa tsy namoa
Vonona aho hitsena anao am-pitiavana ry taona vaovao
K'ireo nokinasa tsy tanteraka ifonako eny izao
Ifonako raha toa nametraham-pahatokisana ka tsy nahafaly anao
Rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/hafatro-ho-anao | Hafatro ho anao | MBL | Hafatro ho anao no soratako anio,
Ho soratra mitoetra mba raiso ka vakio;
Aza atao andratra ilay fitiavako fahiny,
Ilay voadin-tsika roa tsy tanteraka aza tsiny;
Na izaho na ianao dia samy mba nitia,
Nefa ifandao ka ifarana ny DIA;
Mifona aho fa amoy ireo vitantsika roa,
Tantarantsika ireny ry malalako taloha;
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/sora-peniko | "Sora-peniko" | Ramiadanarivo fetraniaina | Antsan-dokanga izay sendra reko
Ventsom-baliha mandona fanahy
F'izay nisy tamiko indro nomeko
K'ireo izay nahazo dia tsy mba nanahy
Tendry gitara natao sesi-lany
Feon-kiritsana mananika sofina
Ilay toka-nazava ambonin'ny tany
Nanohitra foana nanda ny ho tsofina
Voro-mivazo mamoha maraina
Ny akoho amam-borona r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vina/adin-tsaiko | ADIN-TSAIKO | VINA | Ny tebitebiten-tsaiko rehefa izaho hatory
no mampivaloharika ny endriko toy izao
fa zay fihafiana
noho ny tsy fisiana
iainana tsy fidiny ato an-tokantrano akory.
Izay malala ny antony raha toa tsy fantatrao a!
Ilay trosan'ny ao avaratra takiny hiverina aminy,
iny koa no tena mampiady be ny saiko.
"onero sy hefa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-aretiko | "Ny aretiko" | Ramiadanarivo fetraniaina | Mahatsiaro ho marary
Izaho manoratra izao
Sao avy amin-janahary
Noho ny ratsy izay natao
Mba ampio f'izaho mijaly
Mahatsapa fanaintainana
Tsy mba toy ireo mifaly
Izay lavi-pitarainana
Mba ampio fa tsy salama
Farofy lava tsy mijanona
Sendra lalana malama
Hany ka tsy nahavanona
Mba ampio re aho ray olona
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-andriamanintsika | "Ny Andriamanintsika" | Ramiadanarivo fetraniaina | Eny ny Andriamanitsika
Dia mitsinjo ireo zanany
Izy mitoetra anantintsika
Ka mikolo ny fananany
Andriamanitra tsitoha
Manampy hilanja izay tsy zaka
Raha mitanondrika ny loha
Vonona izy hampitraka
Eny re ry namana
Ilay Andriamanitra nahary
Dia maninji-tanana
Hahasoa ny zava-boaary
Fa sambatra aok'izany
Izay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-kilalao-fa | TSY KILALAO FA... | RFE Andria | TSY KILALAO FA...
Ry dadabenoely
mba henoy kely
ny ahy tsy kilalao
no angatahiko f'izao:
Fitiavana miavosa
fitiavana misosa
tsy voasakantsakana
kanto toy ny vakana
hoentiko mianjaika
fitiavan-tsy re tsaika
fa lavitry ny olana
tsy misolantsolana
fitia izay mifamaly
toy ny vao omaly...
Raha azonao atao
di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bertinfast/ny-fitia-mangina-ny-tany | NY FITIA
-Mangina ny tany | bertinfast | NY FITIA
-Mangina ny tany fa tonga ilay alina mangina
Alin-dranomaso feno fangirifirina
Tsy mba misy namana na ko olon-tina
Nefa na zany aza ry foko mangina !
Fa maninona ary aho ry foko no ampijalina ?
Fa maninona ianao no tsy manana tina ?
Fa maninona oanao no moavam-pangaro ?
Saminia tsy mahatsiaro !
-Mia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/iny-zaza-iny | "Iny zaza iny" | Ramiadanarivo fetraniaina | -Tsy mba manan-tsiny
Iny zaza iny
Eny an-dalana mangataka
Sy miandry izay hilatsaka
-Miandry izay tsy lany
Sy milatsaka amin'ny tany
Tsy lanin'ireo mpanana
Raisiny amin'ny tanana
-Oh ! Mitaraina ity zaza
Fa mba te halaza
Sy ho lasa lavitra
Haniry toy ny ahitra
-Mba mahatsiaro ory
Tsy rarahiana akory
Mita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/ny-hatsaranao | NY HATSARANAO | ernest2015 | NY HATSARANAO
Ianao ilay mahafinaritra ato ampenarana fitaratra
Ianao ilay mahafatifaty, izay mijery anao miraratra
Ianao ilay tena tsara ka tsy misy hasolo
Ianao ilay Jiro fanala manazava ny tontolo
Ianao ry "....."! ilay tovovavy tena kanto
Vao mainka tiko be ny feonao milantolanto
Ny fijerinaw anahy, izay mil... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/fianarana | FIANARANA | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Raha te ho tafita,
ity ny marina tsy azo odian-tsy hita:
ny miditra am-pianarana no lalana!
ndao f'aza mialangalana!
Any no fandrafetana,
ireo drafitra sy fanomanana ny hoavy!
f'izao:manana faharetana!
ilaina fikirizana ny any fa tsy adin-tavy!
Any no ahitana ny fahalalàna!
izay ahaizana ny rehetra!
tsisy dik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/ady-rariny | ADY RARINY | nofinofin'ny saina | ADY RARINY!
Raha lalovanao ny aliko
Aza mbola mitaraina
Eo anivon-dranomaso
Fa...
Eto an-tanim-piadina
No anoratako ho anao
Ireo sombin-tsorisoriko
Fa...ny mariko
Ny rariko
Dia lasa mariny
sy rariny
Ary hitsiny ho azy
Saingy....
Izaho tsy hiady
Na hitady
Ireo tokony ho ahy
Aleoko aloha manaiky resy
Eo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/fijaliana | FIJALIANA | ernest2015 | FIJALIANA
Efa ozona hoan'ny taranaka ve
Sa ny tontolo efa voazanaka
Tsy mba miaina toy ny olon-drehetra
Fa fiainana vorehetra
Tsy mba misy fiainana hoe mamy
Ve ny ety ambonin'ny tany?
Fa dia fiainana mangidy
Eny fa na ankajo aza tsy voavidy
Iti fiainana ity kay ady
Ka tsy afa-mitraka fa mandady
Midodododo et... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ilay-antsika-isasahana | Ilay antsika isasahana! | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Mafy ny fahoriana,
mety ho soa ny fifaliana!
Mandalo anefa izany,
miserana eto an-tany!
Kanefa ho ande-zaraiko,
hitovy sy sahala!
izay anao lalaiko,
ry tiana sy malala!
Hoampitoviako,
sanatria antongilako!
Ho anao mira ho ahy,
ho an'ny saina,fo,fanahy!
Amin'izany tokoa,
dia hitovy isika roa!
Sanatria ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/tsia | TSIA | TSY RENDRIKA Spica | TSY OMEKO ANAO NY FOKO
FA SAO IANAREO HILAMINA
KA HIFANKATIA INDRAY
NY FITIAVANTSIKA ANTSOKOSOKO
SY AZO ATAO HOE NINDRAMINA
HO AIZA IZY AMIN'IZAY? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ankilabao | Ankilabao | Ramiadanarivo fetraniaina | Mahatalanjona ahy loatra izay rehetra mba jerena
Mampatahotra ary koa mampivarahontsana ny tena
Tompon'andraikitra ambony manodinkodina harena
Tokony ho esoriny aminy ny fahefana izay nomena
Loza maro misavovona no mandrakotra ny tany
Izay vaovao mba vinaky tsy maintsy resa-paty ihany
Satria aina maro no nafoy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/aleo-rahampitso | Aleo rahampitso! | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Raha misy olana hitranga,tsy ahitana vahaolana,
aleo izany tsy anio,fa mazana ny hiatrika izany androany.
Fa aleo ho rahampitso, no isehoany hanakorotana.
Fa ny androany mba aleo ho fifaliana lavitra tomany.
Aleo rahampitso koa raha misy fangirifiriana,
fa ny anio tsy tiako hampijaliana.
Aleo ny androany,entina h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/io-fianarana-io | IO FIANARANA IO | ernest2015 | IO FIANARANA IO no lova tsara indrindra
Ho anao manokana io ary lova tsy mifindra
Isika mpianatra izay mianatra tsara
No ho lova mendrik'ity Gasikara
IO FIANARANA IO ihany koa no lova soa
Ka izay mianatra tsara ihany no mahita ny soa
Koa andao ary mba hianatra tsy terena
Fa isika no hoavin'ity Firenena
Dia mbol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/hafatra-ho-anao | HAFATRA HO ANAO | nofinofin'ny saina | HAFATRA!!!
Rehefa maty aho.......!
Hiangaviko ianao,aza sorisory
Rehefa maty aho, aza mitomany
Aleo hangina foana,fa tsy reko akory
Ireo tolokonao, aleo hangina ihany.
Ireo masoko ireo,hiangaviko ihany
Aza ahirinao,aleo hipitrapitra
'Reo lasako rehetra,izay nampitomany
Onjan-dranomaso izay tsy mety ritra.
'Re... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/noely | "Noely" | Ramiadanarivo fetraniaina | Ankalazaina androany
Ilay andro sarobidy
Tsara indrindra an-tany
Ka tsy mba voavidy
Ity andro iray
Nahaterahan'ny mesia
Izy zanaky ny Ray
Mpanjakan'ny fitia
Indro isika higoka
Ny hamamian'ny tany
Fa maha-te hidoka
Maha-te hidera hatrany
Tonga I Jesoa
Ilay mpanjakantsika
Izy hitondra voa
Haniry ao amintsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/regnanatsy/laha-ny-haiko- | laha ny haiko ..... | REGNANATSY | gny hamaray baba tsy manambara
gny fianina neny raha tantara
ka filongoa ro soa ho fanafody
fa gny raha fa vita lereo tsy mipoly
laha ny haiko tsy nataoko iny
zao i henany ao ahazahoako tsiny
mifona baba milalilay aho ene
mahatsiaro ty raha natao raho ka manegne |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/taraina | "Taraina" | Ramiadanarivo fetraniaina | Ry filoha tsy misaina
Miala teo fa mankaleo
Fa dia mamelona taraina
Ary dia mampitoreo
Ny vahoaka no mijaly
Sy mitarain aok'izany
Mila ho latsaka tomany
Izy ary toa falifaly
Filohantsika hono I Hery
Ha ! Tsy mampiomehy va izany?
Toa zaza milalao irery
Raha mianjera mitomany
Tena leo anao anie 'zahay
R'ilay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/antily | Antily | Ramiadanarivo fetraniaina | Antily anie ny tenako
Hatrizay mandra'izao
Ny voady tsy anenenako
Fa mitoetra anatiko ao
F'izahay Antily izao
Andrin'ity Gasikara
Eny ho fantatrao
Ny marina an-tantara
Tanora sahisahy
Izahay Antily
Madio fo amam-panahy
Mijoro tsy mivily
Ny Antily Lovitao
Voataiza mbola kely
Ho toy ny vaovao
Izay zavatra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/lavitra-ahy | LAVITRA AHY | ernest2015 | LAVITRA AHY
Eh! lavitra ny tany, lavitra ny fo
Dia lavitra ny fitiavana ihany koa
Iray ny saina, iray ny fo
Izay ihany ny antsika roa
Mahatsiaro sy malahelo, ary tena manina
Toa tsy mampihinan-kanina
Fa mieritreritra anao foana
Izay ny mahatonga ahy tsy mety ho noana
Mafy ihany izany fijaliana eto antany
Toa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/ianao-ry-olon-tiko | IANAO RY OLON-TIKO! | ernest2015 | "IANAO RY OLON-TIKO"
Ianao ry olon-tiko
Ilay tovovavy nofidiko
Fidiko ho anjarako
Ka tsy ho voararako
Ianao ry olon-tiko
No mba hany fifaliko
Hatrizay efa niriko
Dia Ianao no hitokiako
Ianao ry olon-tiko
Dia 'lay mamy tsy hariako
Mamy tsy mba foiko
Satria mamy tsy hosoloiko
Ianao ry olon-tiko
No hazavana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/hitohy-mandrakizay | HITOHY MANDRAKIZAY | Tsanta MIKANTO | HITOHY MANDRAKIZAY
Malala a,
Miodina ny taona
Fa mbola ianao foana
No voasoratro ho tantara.
Na dia misy ny adiady
dia tsaroako ireo voady teo ambony alitara !
Tsy ho voafafan’ny fotoana
‘lay isika miara-noana,
‘lay isika miara-ory,
Samy tsy mahita tory mitady izay hahavoky,
Ary ireny rehetra ireny no zary l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rimanny-fou/mosoara-tokanizay | MOSOARA TOKAN'IZAY | Riman'ny fou | Sendra mba nandalo teny aho hanikeo,
eny amin'ilay teorana izay falehanareo.
Dia nahita ilay malalanao nitanondrika irery,
nisefosefo nitomany fa nahatsiaro tena ho very.
_
Mosoara tokana izay no hany mba namany,
ho fanantazan-dranomaso izay tsy voatanany.
iangonan'alahelo ka tsy maina hatram'izao
fa toa tsy ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bertinfast/ny-hoavy | NY HOAVY | bertinfast | NY HO AVY
Idro fa itako mangarangarana
Efa mandombaravarana
Ilay ho avy tsy hay fatarina
Mifono mistery tena lalina
Miomana ianao izay mianoka fatratra
Amin' izao fiainana izao
Fa ho toga ilay ho avy izay tsy fatatrao
Dia ny farany amin'ny fiainanao
Tsarovy fa manampetra hatrany hatrany
Izay olombelona miaina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/don-kotroka | DON-KOTROKA | RFE Andria | DON-KOTROKA
Don-kotroka tokana monja
Dia ampy namono ny jiro
Kanefa tsy ary nafonja
Fa ny labozia no amikiro
Sao dia misompatra lahy
Na hetraketraky ny tsy tia
Mahavaka ny fo sy fanahy
Ity haizina lava ity
Ny foko koa torak'izany
Lalovan'ny haizim-pitia
Don-kotroka mampitomany
Nampirotsaka rano malia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/tokana | "Tokana" | Ramiadanarivo fetraniaina | -Jineriko foana re isan-kariva
Ny zava-bokarin'ny faritra iva
Jineriko foana fa tsy norarahiana
Ity hany tokana izay tsy mba tiana
-Ho jineriko foana fa tsy misy mpijery
Ity ambavahaona toa zavatra very
Ho jineriko hatrany fa tsy misy mpandrindra
Ity hany tokana tsara famindra
-Toa zaza nateraka tsy misy mpiah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rimanny-fou/hafatro | HAFATRO | Riman'ny fou | Ianao ry rivotra miserana irony
raha sendra mandalo any ho any
fantatro ianao fa tsy hiverin'intsony
nefa etsy hafarako na dia izany.
_
Any hoany mantsy izay malalako izay
tsy fantako hoe aiza fa niova lasy indray
mitsingerina anio ny andro nisarahanay
andro izay tsy ho adinoko mandrakizay.
_
Any izy angamba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/valibabena | VALIBABENA | RFE Andria | VALIBABENA
Mahantra mahonena
Tsy misy hojerena
Izany fiainako eto
Mahavelon-tsento
Mahantra volamena
Mahantra raha harena
Tsy manan-kantenaina
Hamelomana aina
Fa manan-karena
Fitia valibabena
Misaotra noho izany
Fitia tsy hita lany
Misaotra anareo
Zanako naneho
Fitia tsy mety leo
Namoana ny toreo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/tiko-ianao-tiko-ianao-i | TIKO IANAO
Tiko ianao, i | ernest2015 | TIKO IANAO
Tiko ianao, ianao irery ihany
Tiko ianao,mandra pialako eto antany
Tiko ianao,hiraikitra ato ampoko
Tiko ianao,sanatria hoe hiova loko.
Tiko ianao,ho tena tia ahy
Tiko ianao,tsy misy ahiahy
Tiko ianao,ho anahy samy irery
Tiko ianao,tsy ho an'iza velively.
Tiko ianai,dia mbola tiko hatrany
Tiko iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanoratra/aiza-ianao | Aiza ianao | Aiza ianao , miverena ho asambarako ehh iza indray no mba iaraka ijery ny kitana eny anabakabaka eny iarak@ko iza indray nu hiaraka anjy @ko @niny lalana iny iza indray no ho fihiniku ka arehy ny fitepon foko hilazany izay tsy ambaratelony tomany aho.... Aiza ianao izao sy ny eritreritro ti sisa no mibitsika mangina m... | |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bertinfast/tiko-ianao | TIKO IANAO | bertinfast | TIKO IANAO
Tiko ianao
Tiko nefa tsihitako izay atao!
Ra mba fatatrao
Zany ao am-poko ao
Mangetaheta fatratra
Maniry ny fitiavana
Izay tsy azo ferana
Nefa tsy azo atao amboletra!
Fitiavana avy ao am-po
Izay tokony hifanako@ olon-droa
Ho anao sy ho ahy
Nefa izaho toa tsy sahy
Tiko ianao !
Izany foana no ao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fonenanny-tsy-misy | FONENAN'NY TSY MISY | RFE Andria | FONENAN’NY TSY MISY
Tsy ho ela aho dia ho tonga
Any ambadik’iry bonga
Ka hilaozako ny etoana
Tanàna feno fisentoana
F’ity vohitra hombako
Tsy misy feo iray manako
Tsy misy fijaliana intsony
Tanàna tony dia tony
Fonenan’ireo efa lasa
Fonenan’ireo tsy miasa
Fonenana tsy misy intsony
Na fitia na lonilony |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ampitao-ny-fanilo | AMPITAO NY FANILO | RFE Andria | AMPITAO NY FANILO
Izao leitsy a! (hoy aho amiko miteny irery)
Matokia leitsy ialahy fa ny ilo tsy ho very
Mbola ao sy efa mijoro ireo zandry mahavita
Vonona hamelo-maso ilay ainga miampita
Mandehana amin'izay, ampandrio izao ny penina
Mahazo miala sasatra izy tsy atahorana hanenina
Maro ireo tanora ireo, mahaleo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kim-kardashian/afatra-oan-ny-sipakely | afatra oan ny sipakely | kim kardashian | Oay zah de tsy mba tafita Ny bepc sy ny cepe aza tsy vita Marna ts naleoko nijanona iany Fa ny volan ny dada s neny no lany Nanandrakandrana tonga de tao Nanjary nanenina be aho izao Nitetika ny hianatra ay @ Lycee Kanjo niteraka any @ Maternite Nanjary madama tsis ramose Tanora mahalala zah mananatra an se Mba alalana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mino-fotsiny-ihany | MINO FOTSINY IHANY | RFE Andria | MINO FOTSINY IHANY…
Na ho very fanantenana aza izao tontolo izao
Izaho kosa tsy hanary toky fa hatrany hino Anao
Mety ho maizina ny làlana tsy maintsy hombako
Ka handao ireo sakaiza noho izato fahantrako
Izaho kosa indray hamikitra ny sandrinao hatrany
Matoky ny fitiavanao ka dia mino fotsiny ihany!
Azo antoka h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/nahoana | Nahoana | RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison | Ny manana miha-manana ihany
Ny mahantra miha-fadiranovana
O! Inona re no mahatonga izany,
Raha vao malotoloto dia tsy handalovana...?
-Fa raha mbola eto an-tany dia izao no tsarovy:
Ny fiainana etoana dia mila fepetra
Ka raha mavomavo...Dia izao no tsinjovy:
Tsy mifanentana re,ny madio sy voretra!
Ary inona ho'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/talaho | TALAHO | RFE Andria | TALAHO
Tompo o! italahoako Aminao ireo zanako ireo
Fa henjan-doatra ny aniony toa dia mampitoreo
Ny ampitsony tsy takatro fa dia toa manjavozavo
Ankiniko Aminao ireny, dia Aminao ry Rainay Avo
Italahoako re ry Ray, izireo iangaro kely
Fa ny fitaizako azy tsy tontosa velively
Fa irery aho no nitaiza hatramin'ny n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/vavaka-hoanny-fitia | VAVAKA HOAN'NY FITIA | ernest2015 | VAVAKA HOAN'NY FITA
O!Ry Ray be fitia
Tahio ny fitavanay
Mba haharitra hodoria
Ary koa mandrakizay
Ray o!Mba tahio
Iny ololn-tatiko lavtr'ahy
Mba ho tia sy tsy hanadino
Mba tsy hananako ahiahy
Tompo o!Mba tantano
Izato lalan-janakao
Mba tsy hanganohano
Sy hitoloko lava izao
Tompo o!Mba tahio
Mba hifanaja ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/ny-foko-ny-saiko | NY FOKO, NY SAIKO... | ANDRINIAINA1 | Ny saiko na dia be kirina
dia mahay mionona rehefa tsy tiana.
Tsy hitomany fitia izay tsy ho anjara:
fa mahay mandefitra sy miala.
Ny foko na dia hoe adala
dia azoko tenenina sy rarana
tsy hivarilavo na koa hikomy
fa mahay milamina sy mitony
Na dia irina aza ny hiara-droa
rehefa tsy mifanaraka dia mizara roa
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/miandry-valiny-ny-mierit | MIANDRY VALINY | ernest2015 | MIANDRY VALINY
Ny mieritreritra, aza ela
Fa ny foko tena tia
Ity foko aza avela
Fa tia anao ho doria.
Ireo toky izay nomeko
Aza misy atahorana
Ny ho eo anilanao ekeko
Na dia ho avy aza ny orana.
Aza avela manirery
Na hisento lava foana
Fa raha sendra tsy mahateny
Ity vavako efa moana.
Ataoko fa ity fitavan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/j-nalisoa-ravalitera/zo | ZO | J. Nalisoa RAVALITERA | ZO!
ZO no ataoko ho anaranao na ho lahy ianao na ho vavy,
Ry sombinaiko ato am-bohoka.
ZO Lalaina sy Andrianina
ZO no ataoko anaranao
Zo no ataoko ho anaranao!
ZO a,
Aza dia mahery sangy fa mararirary i Neny a!
Dray! vao maika izy mihetsika,
Efa hoe marary Neny!!...
Nefa ataovy ihany manko e,
Zarako aza iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ayan-t/ny-fiainana | Ny fiainana | Ayan T | Mianjady ny mafy raha toa ka miaina
sarotra ihany, eny niady ny saina
fotoana lalovana raha ny eto an-tany
ireo ady vita dia fiainana ihany
fiainana, nahitana ny mamy
fiainana, nikirizana ihany
fiainana izay nazahoana safidy
nefa indrisy fa sendra ny ngidy
"tonga mavitrika tsy mba mingitrika"
raha azo atao ija... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/lisa-phanera-ilay-tovovavy-tiako | Lisa Phanera, ilay tovovavy tiako | Ari Ira | Maty, fony kely aho, ny masoandroko
Aizin-dava hatrany no nandravaka ny androko.
Honjohonjon’ny eritreritro no nibaiko ireo diako,
Nahanjahanjan’ny fisainako ny fiainam-pihafiako!!
Telo ambin’ny folo taona aho dia nahazo ny licence;
Mendrika ho ahy io. Tsy mba vintana na chance
Fa vokatry ny fizotoako nomban’ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/misy-ve | MISY VE? | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Misy ve! ety an-tany,
hafaliam-be tsy voafetra!
tsy mety ritra sy tsy lany,
fa mijanona eto sy mitoetra!
Entiny ny teny mampifaly!
ho ety an-tany izao,
teny mampifaly;
apetrany,atolony anao!
Raiso ary izany!
hafaliana ho anao atolony,
tsy ho hety lany,
hanasondriana anao izay no tolony! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/satriko | SATRIKO... | RFE Andria | SATRIKO...
Satriko ihany ny ho eo anilanao ry lala
Hianoka fitia madio eo foana tsy miala
Hamihina anao hatrany ary koa hitositosy
Ka isika roa irery no ho mponin'ity nosy
Satriko anie ry lala isika roa raha hiara-dia
Hifampitantana hatrany eny an'habaka fitia
Hiara-honina doria ao am-bohitry ny nofy
Hiara-hisa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/regnanatsy/izay-tia-adala | IZAY TIA ADALA | REGNANATSY | IZAY TIA ADALA
Ny tsy tia dia efa mitia na dia mandray anao ho fahavalo
ny mieritreritra hitia dia efa mitia na dia faniriana mandalo
fa ny hendry mody tsy tia mangina satria mankahala
fa ny fo vendrana kosa midoboka satria izay tia adala
hifandray ho mpifahavalo dia ady tsy hahazahoana fandresena
ny fo mivadika ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/iny-soratro-iny | Iny soratro iny | raozy mainty | Ilay soratro iny
Moana hono ny vavako
ka ny hafatrin'ny foko
Sy ilay bitsin'ny fitiavako
aza koboniko ho ahy irery
Dia marina anie izany,
fa izaho hono tsy hiteny
na ho fatin'alahelo
sy ho vonton'ny tomany
Dia iny soratro iny,
ilay nilazako teto omaly
fa misy fo mijaly,
misy saina diso làlana
misy anjely t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/tanini-gasy | "TANIN'I GASY" | hjravs | TANIN'I GASY!!!
Raha misy ny ampahany
mbola zanahany,
na mbola bodoiny
ny ankamaroan'
ireo tangoro-nosy manodidina antsika,
dia azo adika
ho mbola heveriny
asiany fameriny
ny fahaleovantena
tsy foiny nomena...
Fa io tany io harena...
Mety misy safira ao, na feno andramena
mety ahitana solika na volamena...... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/kisendrasendra-ve | kisendrasendra ve? | Nat'urel | Kisendrasendra ve ilay fihaonatsika?
Fa toa nofohananao daholo ny karazana hatsika!
Ny alahelo sy tomany!
Ny karazan-jaly rehetra!
Nivoaka tany tokotany!
Ka hafaliana tsy voafetra!
Fa toa tampoka tsy nampoizina
Ilay fihaonana toa kisendrarendra!
Ka nahatonga ahy hanizingizina!
Fa tsy tia rendrarendra.
Fa ho a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/aza- | AZA ... | njaf | Aza sasatra miandry
raha mbola misy fanantenana
aza vizaka mitady
raha mbola misy hazavana
aza reraka miady
raha mbola misy enti-miady
dia aza mampiseho koa
fa efa vizaka sahady
fa izao no andrandrao
mbola hiposaka aminao
Ilay maraina vaovao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy-mainty/nianatra-nampiasa-elatra | Nianatra nampiasa elatra | raozy mainty | Niandry ka tody ilay tanjona hiriny
Rava ilay manda namefiny izay tiany
dia faly ny saina fa niheny fiasa
Fa ory ilay fo zay nahatsiaro ny lasa
tsiky iray tavela,sisan'ny tomany
vongandranomaso nanakona ny tany
nahafoy ny alina ho tojo ny maraina
raozy maintso ravina antany karakaina
nanolo ny fitafy fa hendry ... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.