url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nolson-l.-andrianiaina/andriambia | ANDRIAMBIA | Noëlson L. ANDRIANIAINA | Nisy hery nisintona mafy
Nampilefa ilay ditra
Nanova ilay fitafy
Tao anatin'ny minitra
Nisy hery nanohana
Tao anatiko tao
Nanoloana ny tafotoana
Ka nanantona anao
Ilay andriambia
No nampiasainao
Mba hanova ny dia
Amin'izao fotoana izao
Ilay herinao mahery
Toy ny andriambia misdrika
Tsy hiditra lalan_tery
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lroi/ry-voninkiazoko | Ry Voninkiazoko | LRoi | Malala a! Malala ô ! To anao iany aho anie e! indraindray mamelana ny masoandroko ndraindray maloka ny androko,
ny hanitrao no mamelona ahy rivotra iainako isanandro ka tsy afa misarak@ko.
Ny tsilo ve hi hi hi ianao ko zany ! efaka mfameno tsara ne zany eh na misy tsilo ary ndraindray za teztra, be fo kely , mafiloh ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nolson-l.-andrianiaina/ny-tsiky | NY TSIKY | Noëlson L. ANDRIANIAINA | Ny vokatry ny tsikintsika
Maha mendrika ny bika
Manome ny hafaliana
Manala ny hakiviana
Mahavelom_panantenana
Sy mitondra famonjena
Manary ny hakamoana
Fa mamelombelona foana
Ny tsiky koa anie
Tsara ho an'ny fahasalamana e
Mampilefa ny aretina misy
Ianao izay mitsikitsiky
Dia ampiaraho hehy kely
Miaraka an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/atsy-ananona-atsy | ATSY ANANONA ATSY | KIRIAH | ATSY ...
Ny foko anie malala ka mitady hisary adala
Atsy ananonanona atsy
Ny saiko anie ry tiako mba noezahako tsindriko
Tsy ho atsy ananonanona atsy
Kanefa anie lalaiko toa tsy mety, toa voabaiko
Ho atsy ananonanona atsy
Raha izao no mitohy dia ho hadinoko ilay dina
Kôzy zany !!! .......... atsy ho atsy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nolson-l.-andrianiaina/ny-taniko | NY TANIKO | Noëlson L. ANDRIANIAINA | Any ambanivohitra any
No misy ny taniko
Toerana nahabe ahy tany
Ka tiako sy tena mamiko
Eto Madagasikara ihany
No ahitana izany taniko izany
Tsy lavitra fa akaiky ihany
Dia any ambanivohitra any
Tanàna soa tsy voafidy
Fa ny tanindrazako tsy amidy
Tao daholo ny fahazazana
Manana ny fomba nenti_paharazana
Mad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ao-anaty | AO ANATY... | Fredy Jaofera | AO ANATY...
Ao anaty feo miranga,
andrenesam-pifaliana,
misy antso tena manga
antenaina tsy zovina.
Ao anaty 'tony maso,
misy jery lalandava
tsy mitady ranomaso,
mahamirana ny tava.
Ao anaty fo mitia,
misy toky makadiry
tsy mamely, sanatria,
vao indro fa mitsiry.
Ao anaty 'tony saina ,
misy tsiaro tsy taf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nolson-l.-andrianiaina/voninkazo | VONINKAZO | Noëlson L. ANDRIANIAINA | Ny feonao milanto
Ny toetranao tena kanto
Ny fihetsikao mirindra
No tena tiako indrindra
Ny tolotrao izay nomena
Toy ny voninkazo nambolena
Iriako tsy hiova
Fa tazomina ho lova
Miredareda tsy mety maty
Fa tena tafiditra ao anaty
Tsy misy na iray very
Fa ho anao samy irery
Voninkazo ato am_poko
Dia ianao i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-mbola-ao | RAHA MBOLA AO... | Fredy Jaofera | RAHA MBOLA AO...
Raha mbola ao
ny toky izay nomena,
iaino sy anjakao
hitondra fandresena.
Raha mbola ao
ny tsiaron'ny taloha,
torio sy avelao
hamiratra avokoa !
Raha mbola ao
ny voady izay nesoina,
tairo ka ambarao
fa aza mba lotoina !
Raha mbola ao
ny andro izay nitsiky
tiavo ka hirao
fa tsy mampadiky ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-fidiko | TSY FIDIKO | Fredy Jaofera | TSY FIDIKO
Vao manorana ny tany
dia manorana ny foko ;
tonga eto 'reo tomany
fa alahelo no miloko.
Vao mikotroka ny reko
dia mikotroka ny kalo ;
izany akory tsy tereko
fa ny ora mampimalo !
Vao mitselatra ny vazo
dia mitselatra ao anaty ;
hafahafa izay mahazo
sy manadala ka soraty !
Vao manidina ny fody
d... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nolson-l.-andrianiaina/ny-andro-tontoloko-toa-ni | EMBONA | Noëlson L. ANDRIANIAINA | Ny andro tontoloko
Toa nijaly ny foko
Any aminao foana ny saiko
Ianao no fanafody ny aiko
Embona foana hatrany
No iainako isan'andro
Toa mahatsiaro anao any
Mandritra ny tontolo andro
Ny amin'ny alina indray
Tsy nahita tory
Te hanantona hifandray
Izay mahatsiaro ory
Ny feo mangina amin'ny alina
No nampisen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nolson-l.-andrianiaina/taitra | TAITRA | Noëlson L. ANDRIANIAINA | Andro maromaro
Endrik'olona mifangaro
Mivezivezy eo imasoko
Toa tsy nahasariko ny foko
Tsy hoe dia variana
No tsy manan'olon_tiana
Fa mbola tsy faniriana
Izay mba nosafidiana
Fa tamin'ity hafa kely
Fa manjombona tsy nahateny
Nisy zavatra nahataitra
Fa nidoboka ny fo tsy laitra
Nisy zavatra niavaka
Nanaitra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nolson-l.-andrianiaina/alina-mangina | ALINA MANGINA | Noëlson L. ANDRIANIAINA | Alin'iny mangiana
Tsy misy fanairana
Velon_tsento tsy iniana
No hany notarainana
Ny fo tena tony
No taitra tampoka indray
Toa misintona ny ao am_pony
Mba hitambatra anakiray
Manambara zavatra hafa
Izay tsy hay fiheverana
Toa tsy mety voafafa
Ny alaviran_toerana
Toa mitsiky mitomany
Ny ao am_pony ao
Te han... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nolson-l.-andrianiaina/alina | ALINA | Noëlson L. ANDRIANIAINA | Alina mangina
Tsy anilan'ny tiana
Fa misento sy variana
Eo ampandriana
Mahatsiaro fa tsy miteny
Ilay foko manirery
Ho anao tsy misy tery
Rehefa resy tory
Mahatsiaro ory
Tsy eo akaikin'ilay anjely
Mamy toa tantely
Ireny nofy lalina
Iainana isaky ny alina
Feo milanto amin'ny alina
Ilay ianao tao anaty nofik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aslamy/efa-vita | Efa Vita | As'Lamy | Eny,ekeko raha tianao
kanefa hiangaviako
ny foko avelao
f'efa sambatra ilay tiako
tsy maninona,ny lahatra no ambony
tsy hanao be loha
fa manaiky sy mitony
mba tsy hararirary fo
Ny rehetra vita tsy ho fafana
avela ho tsiaro
ny tohy no rarana
ilay FO nitempo koa sakano
Ny antsika efa izay
reny lasa tsy hanen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herinina/vonjeo-ny-tanintsika | VONJEO NY TANINTSIKA | HERININA | Ity tanintsika ity hoe tany manan-jina
tany soa sy kanto sy be mpitsiriritra
indrisy anefa ity toa farafahoriana
ny any Atsimo maina, Imerina tsy ritra
Nankaiza sy nankaiza ny Masina sy Razana
no tototry ny ankaso i Dago tanindrazana
matory tsy mijery sa minia ny tsy mitazana?
sa kosa miandry sorona eny an-jorof... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/voninkazo | VONINKAZO | Jean NARIVONY | Vao mitranga ny maraina
Dia mitsiky sy homehy
Fa mamantan-jaridaina
Feno hatsaran-tarehy.
Fofomanitra tsy lefy
No mamerovero soa
Voninkazo tsara fefy
Indreo mivelatra avokoa.
Tazana ao ny violety
Te-hiafina ao ambany
Voninkazo tsy mirenty
Nefa manitra aok'izany.
Pika mavo, fotsy, mena,
Samy maha-te-hijery
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dano/ilay-vahiniko-iny | Ilay vahiniko iny | dano | Injay fa tonga indray
Ilay mpamangy ahy
Mpitsidika matetika
Anaty heritreritra
Mibitsika mangina
Toy ny olon-tiana
Milaza sy mamboraka
Ka maneho an-tsoratra
Izay mba fifaliana
na koa hoe fahorina
Izay fihetse am-po
Sy ny zavatra ao an-doha
Maneho izay nafenina
Tsy haiko notenenina
Na anio na ny fahiny
Il... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/aleoko-mangina-ato-anatik | Aleoko mangina ato anatik | Ra'Ony | Aleoko mangina ato anatiko ato
tsy hihika intsony ny gindiny fiainana
Ny rivotra mitsoka, mamely tsy miato
mikiky tsy miato ny fanaintainana
Ny maso ve no jamba ka tsy mahalala
ny lalan'ny fiainana tsy haiko faritana
sa ny saina torovana no efa adala
sa lay zara nomena no tsy misy vintana...?
Fa tanana iany fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harydi/tenin-drazako | TENIN-DRAZAKO | Harydi | TENIN-DRAZAKO ....
Ho anao irery
ho anao ihany
ity tononkalo ity
tsy kanto tsara lahatra
na angola tsara tefy
entina manaingo
hitiavanao azy
Tononkalo tsotra
tsy mba manan-daza
aingam-bentsoventso
niserana ihany
Tonga tsy nantsoina
hitafana aminao
ka na hototofana aza
im- piton’ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/tebiteby | TEBITEBY | Jean NARIVONY | Voronkely anaty akany, taitran-javatra nandalo :
Toa hahazo fitahiana, toa ho sendra fahavalo,
Toa hiravo, toa hijaly : soa sy ratsy indray miheby.
Hoatr’izany re ny foko izay nidiran-tebiteby.
Miandry ny orana ho tamy, toa ho sandra ny andro maina
Ka mangetaheta fatratra ao an-tany karankaina.
Miandry ny andro m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-teny-sy-izaho | NY TENY SY IZAHO | RFE Andria | NY TENY SY IZAHO
Eny,
raha ny Teny
no ambara
sy arakitra ho tantara,
dia ekeko letsy
fa izaho tsy mbola fetsy
ka handeha hitetateta
hitonona ho poeta
Saingy,
tsy hoe mirengirengy,
fa mamelà letsy ahy
noho ny aingam-panahy,
mba hamoaka eto ihany
ny rediredy sy vinany
Ny sarin-teny toa tsy haiko
- mivanta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/ry-fanadinona-iangaviko | Ry fanadinona, iangaviko | Ra'Ony | Ry fanadinona, iangaviko ianao na dia minitra monja
ho sakaiza hanariana dia, ao anatin'ity fonja,
Mba farafaharatsiny hizarako teny vitsy
izay misarika ny saiko, mamono tsy mitsitsy
'Ty entana ambabena notolorana ho lanjaiko
moa mba azona lanjaina fa tsy araky ny aiko
na hanefa vetivety ny trosa an'ity foko
fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herinina/raiso-ny-penina | RAISO NY PENINA | HERININA | Rahefa sendra ny don-tsy miverina
Dia, malaky, raiso ny penina
Hampionona ny anaty fo
Mba tsy hankarary ny an-doha
Rahefa, tojo ny tsy azo anoharana
Dia faingano malaky ny tanana
Ka raiso ny penina handrakitra
Hampitony ny anaty efa rangitra
Rahefa tratry ny aza manody
Dia tokana ny fanafody
Raiso ny penina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/ny-tenindrazako | Ny Tenindrazako | Jean NARIVONY | 'Lay Teny, teny mamiko,
Dia ahy tsy nindramiko,
Nanaovana ny lelako
Ka ahy, tsy havelako.
'Lay teny sarobidiko
Mitana ny safidiko
Dia tolotry ny Lanitra,
Avy amin'Andriamanitra.
Fiteny ahombiazako
'Lay Teny soan'ny razako;
Nandamina ny fiainako,
Namboatra ny fisainako.
Fa Teny firesahako
Sy Teny fivavahako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aslamy/misy-fahafito | Misy Fahafito | As'Lamy | Fa mbola ho avy ny rahampitso
ka aza dia mivaky loha
N'inoninona manjo
Ny andro misy fahafito
Ny alahelonao androany
aza alentika ao ampo
Adinoy ny taloha
Inona no ilana izany
Taloha mandratra
Alaviro lavitra tsy ho hita
Hodio ts'fantatra dia vita
Omeo fiadanana ny tratra
Ny omaly iny dia mandalo
Aza ory t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/tenindrazako | TENINDRAZAKO | Lova miar'shu | Ianao ry tenindrazako,
nampisokatra ny vavako.
Tsy haiko hosoloina,
na koa hohadinoina!
Fa harena sarobidy,
manan-danja,nanam-bidy.
Kanto raha angolaina,
sady soa no fototr'aina!
Andrianiko hatrany,
hanako eran-tany.
Hitoetra lalandava,
ao an-tsaiko tsy ho rava!
Avy aminao daholo,
no nahaizako niteny.
Ka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/iny-ankaratra-iny | Iny Ankaratra Iny | Jean NARIVONY | Iny Ankaratra iny mantsy
Raha tazanina maraina.
Toa manaitra sy mihantsy
'Zany vetsovetson-tsaina.
Eny mampamelovelo
Ka mamoha alahelo.
Iny Ankaratra iny lahy
Raha atrehina antoandro,
Mahavonto ny fanahy
Sady mampihandrohandro.
Hanin-kavana tsy hita
No tsaroana te-hiampita.
Iny Ankaratra iny roy
Raha tsinj... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dano/te | Te... | dano | Te hanototra ny lasa fa misalasala
Ho totofana hatsarana sa mbola adalana?
Te hampitsiry ny ho avy fa tsy hay ny hambolena
Hampitsiry fahantrana sa mba hamboly harena?
Te hanome fitia fa tsy hay ny homena
Fitiavana madio sa mbola fitiava-tena?
Te ahita andro miratra fa tsy hay ny ampitso
Ho lasa olo-marina sa mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herinina/feo-fanahy | FEO FANAHY | HERININA | Fanahy ianao
nandalo ny lalan'ny fiainako
nandalo ianao
nikalo ilay kanton'ny tarainako
nikalo ianao
nivetso ny nofin'ny fisainako
nivetso ianao
nitia ny soratra tsy laitrako
Feo ianao
namaky ny habaky ny lasako
namaky ianao
nitety ny ferin'ireo ratrako
nitety ianao
nitsabo ny rofy tato an-tratrako
nitsab... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/trmich/nofy | NOFY | TrMich | Raha mba tanteraka izao iny nofy mamiko iny
Hoe: Izaho sy Ianao miaraka ao anaty fahasambarana
Ho hadinoko daholo ireo nahazo ahy fahiny ka
Ny fitiavantsika roa no hataoko loha-laharana...
Tsy mba hisy mihitsy ny hasoloko anao
Satria ianao ihany dia efa ampy ahy
Ny foko rehetra dia malalanao ka
Ianao irery ihany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/faniriako | FANIRIAKO | Lova miar'shu | Ny ahy no faniriako,
raha mizara ireo asasoratro.
Dia ianao no safidiako,
hampiely izay voasoratro.
Ny hany fikasako anao,
tsy ianao ho mpankafy.
Fa hitariako anao,
Ny lalam-piainana ety!
Ny hany iriako hambara,
amin'ny diampeniko,
hamantaranao ny ratsy sy ny tsara,mba tsy hisian'ny neniko.
Fa ny hany tsy ad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vola-voarindranny | NY VOLA | Fredy Jaofera | NY VOLA
Voarindran'ny vola
ny fiainana etoana,
na ny tototra angola
na ny be fisentoana.
Voabaikon'ny vola
'reo lalan-kombana
hampisosa sy mbola
tsy hoe fahantrana.
Voasaron'ny vola
ny ratsy itompoana
ka mahay doladola
sy ireo fisekoana.
Voaovan'ny vola
ny fitiavana marina
rehefa mahanjola
sy afa-manari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herinina/izy-no-poeta | IZY NO POETA | HERININA | Misokatra indray ny diarim-panoratany
mihelina indray ilay akon'ny fanahiny
fa iza moa no anarany?
inona no anjarany?
hatraiza ny tantarany?
Tsy fantatrao mazava ny miafina ao anatiny
fa ny hany hitanao dia ny soratra soratany
dia mihevitra ianao
fa iny sora-tanany
dia fiainana lalovany
Angamba, hoy izaho, fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/creta/tompo-o | Tompo o! | creta | Ray o !
Raha mivavaka Aminao aho
Moa ve mba mety misy mihaino
Sa tsy tonga any ny feoko
Mitaraina
Ray o!
Mamindra fo
Noho ny atezerako taminao
Henoy ity antsoko
Ka valio
Ny fiainanay
Efa simbampahotana
Ny andronay
Lany amin’ny filibana
Ny rehetra ato aminay
Toa viraviran’ny satana
Efa mangidy sy mafait... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/a.mampionona.jfan/nisy-fitia | Nisy Fitia | Ny vodilanitra | Nisy fitia nandrandraiko,tsiharitro teny aminy.
Nisy fitia ts takatrin'ny saiko,nanosika ahy hiantso mafy ny anarany.
Nisy fitia ts aiko hotantaraina,nampaniditsidina ny aingam~panahy.
Nisy fitia ts aiko holazaina,fa niriko mba ho ahy.
Nisy fitia nipololoitra,nameno ny foko ts taka~pesenina.
Nisy fitia niboiboika,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mamtsiadino/ny-fanantenako | Ny fanantenako | mam'tsiadino | Ny fanantenako tsy ho resy rahoviana
Fa manosika ahy hivoatra hatrany
Manery ahy hitady ny mamy
Fa tsy hamela ahy hitoloko mangina
Ny fanantenako tsy eto an-tany
Fa any akoatra ts takan'ny maso
Feno hasambarana lavitra ankaso
Ny anjarako efa miandry ahy any ho any
Ny fanantenako tsy foana tsy akory
Ny amin'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/embona-sendra-nandalo-andry-tiana | EMBONA SENDRA NANDALO | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Ny itodihana ny lasa,
Hibanjinana ny ho avy.
Mitambolona miverina,
Ao an-tsaina ny taloha.
Toa ny vao omaly anefa,
Eo daholo ny mpianakavy;
Na ny mbola eto an-tany,
Na ireo efa lasa nialoha.
Ny fotoan'ny fahazazana,
Mbola bitika ny tena.
Nilalao, nihazakazaka,
Teny rehetra rehetra teny;
Nisy ny fotoana, v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johary-j/voahantso-miaramila | voahantso miaramila | JOHARY J | Voahantso miaramila letsy aho ry akama
Ilaozako kely aloha ny Tanana
voahantsoo miaramila letsy aho ry akama
Andeha hanao services aho letsy ah
Hatrizay aloha Miaramila no tena tiako
Handeha hilanja basy no faniriako
Tsy kivy na matahotra fa lehilahy
Andeha hilanja basy aho letsy
Manomboka eto aho dia fohy vol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/a.mampionona.jfan/lasa | LASA | Ny vodilanitra | Lasa tsy nilaza,lasa tsy nanao veloma
Lasa'izy mantsy ka irery eto am-pikaloana
Irony sisa mba tadidy,sombisombiny ihany
Fa ny tena izy,efa lasany any
Mitanondrika irery manoloana ny taratasy
Mihazona ny penina,handraketana ny lasa
Hanangona ny very ho entina ho vatsy
Hiatrehako ny anio,hampitrakako ilay fo mara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/diso-ianao | DISO IANAO | JERY | Diso ianao raha hangina
Ny hafa faly sy mibitaka
Diso ianao raha hanakiana
Ny tenanao ho ratsy vintana
Diso ianao raha hiondrika
Raha sendra olana mahamay
Diso ianao raha hamotika
Ny hoavinao mbola tsy hay
Diso ianao minia mikipy
Ny lanitrao mbola ho manga
Diso ianao raha haniry
Ny tenanao hijangajanga
Diso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nofiko-angamba | NOFIKO ANGAMBA | Fredy Jaofera | NOFIKO ANGAMBA
Nofiko angamba ny hanana reny
mahay manaja sy azo itokisana ;
nofiko angamba fa toa lavareny
ireo esoeso nataony hamokisana.
Nofiko angamba ny hanana reny
mahay manoro sy azo amikirana ;
nofiko angamba fa teny ho eny,
nolatsalatsaina ka nandosirana.
Nofiko angamba ny hanana reny
mahay manova sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lay-fo-hafa-kely/tiako-ianao | TIAKO IANAO | 'Lay fo hafa kely | Ry malala volamena
Zany foko manantena
Zanantena ka valio
Tsi ampitso fa anio
Valiteny rai monja
Kely anefa fa mafonja
Tia ahi ve enao.? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/creta/ireo-adalana | ireo adalana | creta | Ireo adalana vitako
Zary anenenako
Ireo hadisoana nataoko
Tsy ho averiko
Ireo lalandratsiko
Ho amboariko
Ny adalana, ireo abibina
Nitondra fahoriana
Tsy averiko intsony
Tsy ataoko intsony
Efa nanenenako avokoa
Tsy ho averiko manindroa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/creta/tompo-o-omeo-ahy-ny-fo | Tompo o !
Omeo ahy ny fo | creta | Tompo o !
Omeo ahy ny fo madio
Omeo ahy ny fo tony
Lavitry ny ranomaso
Lavitry ny ratsy
Tsy mahatoky ahy anie
Ireo heveriko atokisako
Tsy mino ahy anie
Ireo izay nihainoako
Vonjeo aho fa marary
Vonjeo aho fa osa
Atolory ny tananao
Atolory ahy ny fahazavanao
Raha Ianao ry Tompo
No mihaino izao feoko izao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ilay-takarivantsika | ILAY TAKARIVANTSIKA | Fredy Jaofera | ILAY TAKARIVANTSIKA
Takariva mahamanina, takariva nangatsiaka
takariva tsisy kintana ilay takarivantsika ;
ny rivotra mitsoka, eny, ny miparitaka ny feo
f'ianao irery sisa anio no indro mba tsy teo.
Nofinofiko eto indray ary tadidiko tsy nahy
'lay oroka imolotra toy ny oroka am-panahy ;
tsapako eto indray ilay i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/poteho-ny-kolikoly | POTEHO NY KOLIKOLY | Fredy Jaofera | POTEHO NY KOLIKOLY
Poteho ny kolikoly
mpanimba firenena
fa mila ho tanimboly
anirian’itony harena.
Poteho ny kolikoly
mampisara-bazana
toa miaro be angoly
eto an-tanindrazana.
Poteho ny kolikoly
mahabe fahantrana ;
maro no tsy miholy,
na dia efa rarana.
Poteho ny kolikoly,
aretim-pihemorana ;
mety ve n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njiva-rakoto/raha-mbola-misy | raha mbola misy | Njiva Rakoto | Raha mbola misy hery,Azonao ihoarana;Nahoana no manaiky ho very,Ka tsy manohy ny lalana. Raha mbola misy fahafahana ,Ahafahanao mitolona;Nahoana no mikorosofahana ,Ka tsy manaiky hanao sorona. Raha mbola misy ihany teny ,Izay azonao hambara;Nahoana no avela ho fery,Ho toy ny famoizan-tsara. Raha mbola mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/neny | NENY | Rafa | Neny tiako fifaliako
Andry hiankinako
Mamy tena mamy
Ny fitiavanao tsy mety lany
Neny ah! Hitahy anao hatrany anie ny Tompo
Homba anao amin’ireo sento sy toloko
Ao ny zanaka tiana mora anarina
Nefa koa zanaka adala tsy mety tafarina
Neny izay Tsy misahatra isan’andro
Ny mikatsaka ny soa sy nahandro
Havaoziko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/amiko-ny-reny | AMIKO NY RENY... | Fredy Jaofera | AMIKO NY RENY...
Amiko ny reny dia tokana aman-tany,
azoko antenaina rehefa ory mitomany ;
amiko ny reny dia andry tena andry,
azoko itodihana rehefa tsy tafandry ;
amiko ny reny dia tsy azoko atakalo,
azoko itarainana rehefa tsy mikalo ;
amiko ny reny dia miaritra ny mafy,
azoko itokiana raha rivotra mifafy ;
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mamtsiadino/izay-angaha-no-anjarako | izay angaha no anjarako? | mam'tsiadino | Tsy mba nanana fitia nizarako ny hafaliana
Tao anatin'ny tantarako
Fa toa tomany lava sy mangina
Izay angamba no anjarako
Na diamisy n olo_tiko noheveriko ho tia
Ka nizarako izay nananako
Dia zava-poana ireo satria
Efa izany ve no anjarako?
Ianao ilay mba tiako nantenaiko ho ahy irery
Nefa indrisy fa nandao sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/ny-olana | Ny Olana | Bob Ramanamiravaka | Raha ny olona iray trat-ra olana
Dia sady tsy miteny no tsy mivolana
Fa satria izy lasa eritreritra loatra
Nefa toa tsy afaka mitroatra
Betsaka ny zavatra leferina
Mba tsy hisian'ny olana miverimberina
Rehefa izy no tsy ao
Dia mahazo fiainam-baovao
Raha ny olana no matetika mahazo
Fa izay rehetra tratrany tong... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsiahy | TSIAHY | RFE Andria | TSIAHY
Neny!
toa tsy hitako izay teny
entina atao amboara
no sady koa tsy hangidy fara
ho amin'ity andro anio
satria tsiahy toa tadio
no mitambolona ato an-tsaiko
ho fisaorana ny raiko
na tsy ho aza ny fety
sy fanomezana arenty
sy adera etsy sy eroa
zava-kanto mahasoa...
Satria ny hany mba tsaroako
- isao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ianao-akory | TSY IANAO AKORY | Fredy Jaofera | TSY IANAO AKORY
Tsy ianao akory
no ilaina lalandava
mba hanala sorisory
sy hamerina ny rava.
Tsy ianao akory
no tadiavina mangina
ka afaka hampamory
'zay mety ho fifaliana.
Tsy ianao akory
no andriko eto an-tany
ka mahay mitondra tory
rehefa sento sy tomany.
Tsy ianao akory
no tiako ho hasambarako
rehefa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/nahoana-8899 | Nahoana! | Joda Razakasoa | Fijaliana sy fahoriana
no hany vetsoiko hatrany
avy ao am-po mangina
tsy zakako ka avoakako ihany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/adinoy-izy | ADINOY IZY | Lova miar'shu | Aza malahelo mitomany ianao,
fa adinoy izy!
Ny ranomaso andeha fafao,
mionona aza kivy.
Ny hoavinao jerena,
avelao ny momba azy!
mahaiza mampionon-tena,
mijoroa hiatrik'ady!
Ny lasa tsy hiverina intsony,
koa meteza ianao hitony.
Raha izy no tsy anjara,
mbola ho tonga ilay malala. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rahhar/enyianao-ry-tiana-ianao | Ry tiako... | rahhar | Eny,ianao ry tiana
Ianao tokoa no fifaliana
Ka na mangidy na mamy
Ny foko mitempo ho anao hatrany.
Eny,ianao ry malala
Ianao ilay tsy manantsahala
Ka na ho mora na ho sarotra
Ny foko efa lasanao tsy misy adi-varotra.
Eny,ianao ry ilay tokako
No efa mahalala ny otako
Sy ny rehetra aty amiko
Eny,efa azonao avo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/henri-rahatrarivo/mbola-ho-tsaroany | Mbola ho tsaroany | Henri Rahatrarivo | _ny ambetin-dresakay rehefa mampiaraka
Hiazona ny dina,kilemaina izay misaraka
Satria samy lany andro niadiana hevitra
Ho latsain'ny nenina izay mitana angadin'omby miherika
_mbola ho tsaroany,ny namadihany ilay pejy
Ilay voady nifanaovana,fon'izahay nifanjoy teny
S'ireo velirano,teo ampototo-molo
_hanenina izy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/omenao-tsiny-ve- | OMENAO TSINY VE ?... | Fredy Jaofera | OMENAO TSINY VE ?...
Omenao tsiny ve ny foko
raha tsy mitsahatra mitia
sa lazaina ho fahadisoako
ho tsy mahay manova dia ?
Omenao tsiny ve, ry tiako,
raha tia foana sy marary
sa ho anao no hafaliako
hiseho na hiharihary ?
Omenao tsiny ve, hoy aho,
sa ianao tsy te hahalala ?
Ketraka eto... Miitalaho
‘zato f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/ny-marina | NY MARINA | Lova miar'shu | Mbola mety hiseho,
ka hanjaka re ny marina.
Hahafahan'ny olona maneho,
ny tiany sainy ho takarina.
Mbola hitondra hazavana,
hampitsiky zany androny.
Manome ilay hafanana,
mampibaliaka ny masoandrony.
Mbola hipoitra tsikelikely,
handrakotra ny tany.
Tsy ho lefy velively,
ilay marina androany.
Mbola handresy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotoasombola/mangataka-azy-aminao | Mangataka azy Aminao | Rakotoasombola | Ilay tantaranay nogiazan'ny peniko,
ilay tsiambaratelo efa tena nafeniko,
kanefa inoako fa mibaribary loatra
eo anatrehanao ny am-poko tsy miloatra.
O, hifonako indrindra fa toa tsikaritrao
mbamin'ny faniriako ilay fahefanao,
ny faniriako hanoritra ny lalan'ny tantara,
ny faniriako hanendry izany hoe anjara,
fo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ho-inonao | HO INONAO | Nofy2 | Ho inonao moa izaho rehefa izay no hevitrao
Ka hitanao fa mahasoa amiko sy aminao
Tsy maninona tsy akory, eh!ataoko ahoana moa
Izaho tsy afaka hanery na handrara ihany koa
Ho inonao moa ny ataoko sy itondrako ny fiainako
Tsy misy idiranao intsony eny na dia ny fisainako
Na ny alahelom-poko na ny ho aviko any am-p... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hrv/voninkazo | Voninkazo | HRV | Voninkazo anie ny foko,
Nifono hanitra fitiavana :
Rehefa nohitsahinao
Dia namoaka fofo-manitra
Zary nanenenanao.
Na dia foinao ity tenako,
Torotoronao ity izaho,
Ny avelon'ny fitiavako
Feno hanitra talaho
Dia vao maika hamerovero
Ao anatinao ao.
Ilay izaho anefa dia ho potika,
Eny, ho faty sy ho rotika
Eo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/eritreritra-ririnina- | ERITRERITRA RIRININA – | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mandeha ny ora sy andro,
Toy izany koa ny volana,
Mivadibadika eny ny taona.
Be ny sento mivoaka ao anaty,
Eo am-pitanisana ny olana;
Mitaky asa tena mivaingana,
Tsy voafetra ny amin’ny anio,
Ho tohizina koa mandra-maty.
Miandry, eny, miandry foana,
Izay mety ho fiovan’ny tontolo;
Tsy hita manangasanga,
Izan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mickalo/tiako-ho-tsapanao | raha toa ka...! | mickalo | raha toa ka tsapanao fa vonona aho hitia
dia efa afaka ny jaliko izay namototra ahy taty
ka ho fongarina avy hatrany ny ahiahiko satria
ny ahiahy mantsy a!
madrara ahy hiroso sy manembotra ny dia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/fa-ho-anao | Fa ho anao | Ikalamako | Fa ho anao,
Ny aingan’ny fanahiko
Miangaly ho tononkalo
Ny foko safononoka
Totofanao fitiavana,
Na misafotofoto
Manahy anao ho lasana.
Fa ho anao,
Ny sosan’eritreritro
Mitady ho tononkira
Hifamihinantsika
Maraina vao mifoha,
Ka mandra-pirariana
Torimaso soa.
Fa ho anao,
Ny dian’ito peniko
Mandrafitra ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mahari-pery | MAHARI-PERY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mitaraina, mikamenona,
Fa mihamafy ny fiainana;
Tsy mitsaha-miaka-bidy,
Ny akora fototra iainana.
Ny fotoana koa toa fohy,
Tsy ampy hisaintsainana;
Hany hery, dia milefitra,
Ao anaty fitaintainana.
Tampotampoka eo anefa,
Tonga ny mpanararaotra;
Manentanentana ny olona,
Mambosy azy mba hitroatra.
Raha ny zav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/s.g/fiainana | FIAINANA | S.g | FIAINANA
Mafy Tokoa Ity Fiainana An-tany
Mila Hahakivy Sy Hampitomany
Misy Ireo Ory Sy Mijaly
Ao Koa Anefa Ireo Mirana Sy Faly
Tsy Hita Ny Hilazana Ny Fiainana
Na Be Na Kely Toa Mahita Faisana
Ao Ny Tsy Mahazaka Ka Mamoy Fo
Ny Fiainana Anie Ka Mafy Tokoa
Misy Ny Milaza Ny Fiainana Any An-koatra
Ary Mahagaga F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/28463883/raozy-mavokely-nampiana | raozy mavokely | (2.8.4.6.3.8.8.3) | raozy mavokely
nampiana dalia
ny foko mbola kely
tsy mila lehilahy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/valimbabena | Valim~babena | Zoky Eric | Tsy tana intsony ianao
fa nahita ny tinao teny
lasa ianao handao
ireto ray sy reny
rah sendra mahatsiro anay
dia mandefasa fisainana lalina
hoe any ry zareo zay
ilay nitaiza ah andro amanalina
rah sendra mba manimanina
dia mandalova matetika
hitondrao vola na hanikanina
amin'izay izahay faly sy Tretrika
ry ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samaritanina/fiovana | Fiovana | Samaritanina | Raha ny tiana sy lalaina
Dia ho tsara izay atao
Amin’ny fiainana rehetra.
Fa ny zavamisy maro
Izay misakana tsy miala
Tsy maha-to ny tarigetra.
Mila anao matanja-tsaina
Tsy mikemo na milofika
Fa mitraka sy mijoro.
Ny hakiviana atsaharo
Hatsarao ny efa miorina
Tsy hianjera, tsy mikoro.
Raha ny tiana sy lalai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/creta/anio-raisoko-ny-penina-an | Anio raisoko ny penina
An | creta | Anio raisoko ny penina
Anoratako ho anao
Fahafoizampo tsy misy nenina
Hivetsovetsoko ny momba anao
Ireo hakantonao
Ny sarikanao
Ho dokadokafako
Hasongadingadiniko
Aza matahotra
Na hangovitra
Fa afeniko
Tsy ho lazaiko
Izay mety kilemanao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/creta/nahoanaloatra-ry-zanako | nahoanaloatra ry zanako | creta | Nahoana lohatra ry zanako ;
Ny nahazo anao rahavako
No tsy mety miramirana;
Fa toa reraka sy sahirana
Mitady hanina sy mitsipimpako ;
Izany no mba hany fahavelomanao
Malahelo mafy anao ny foko,
Amin’ireo toloko mahazo anao
Efa vintana ve sa anjara;
Ny inoiko dia tsy safidy
Sa izay tokoa ve ny efa lahatra?
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/henri-rahatrarivo/na-hamoizako-ny-aiko | Na hamoizako ny aiko | Henri Rahatrarivo | _efa natolotro azy,ny foko manontolo
Vonona aho ny hiady na ho mafy na ho mora
Na inona hitranga,na inona hiatra
Tiako ianao malala,tsy havelako haratra
_ea na hamoizako ny aiko
Sy idirako amin-kizo
Tiako ianao ka lalaiko
Ny fiainantsika hikiziro
_dia mitraka ianao ry tiako
Raha sendra hakiviana
Na hamoizako ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/mba-saino- | MBA SAINO ! | BerthiN AinA | Mba saino kely
Ireny sahirana ireny
Fa tsy mba mitaraina
Na ho felahanao ny tehamaina
Mba saino koa ireto
Kamboty maro be eto
Zara fa misy mpiahy
Hany ka ny sasany matory amorondalana tsy nahy
Ary mba sainonao
Ny olombelona @n'izao
Fa miaina anaty fahasahiranana lalina
Ka mampanery ny sasany hivoaka alina
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-te | TSY TE... | RFE Andria | TSY TE...
Izaho tsy te hanaloka izato hafaliana
izay hita soritra an-daingon-tavanao
ka dia miezaka aho amin'ny fitsikiana
na rakotra alahelo aza ao anatiko ao
Izaho tsy te hisompatra izato hasambarana
ilomanosanao hitako isan'andro
ka dia aleoko ny ahy no hany hosomparana
sy hitakokoana fa maizina atoandro
Za... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/mahantra-aho | MAHANTRA AHO | BerthiN AinA | Mahantra aho,mantra!
Telo taona lasa izay
No nahafaty an'i Neny!
Tsaroako eto ilay ora iray
Nampangepoka ahy tsy nahateny
28 Aprily t@nio,andro takariva
Somary mody masoandro
Tamin'7 ora indrindra
No nikotsà-dranomaso tato an-trano
Nahantra aho nanomboka t@nio ora io
Satria dia very indray ny fananàkeliko
Mp... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izy/halazako-ianao-kambony-i | HALAZAKO IANAOkambony i | IZY | HALAZAKO IANAO
kambony izany,
fa lasany tany ireo teny mamy
kambony izany,
fa nalainy daholo ka nataony bontolo
ireo sisa tavela,
nalainy ambongadiny
tsy nisy natsangany,
norombahany kanjo e
nataony ankisesika
nataony be ambosika
ka indro jereo
tapitra;
ringana;
pokaty;
tsy misy e !
Na sombimpitiavana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/slm-j/ny-fitiavana | NY FITIAVANA | slèm jâ | tonga ity ilay ora,ilazako amin'ao fa za fa zaho tena voadona,ilay fitiavana mitsiry ato anatiko mameno ny aiko,fifaliana fahasambarana no miraikitra ato an-tsaiko,ny fitiavanao sisa no mba hangatahako hitodika,fa raha fity ny fety nena efa nidoboka,ka miangavy anao mba lazao izay ao ampon'ao ao fa aza mba mamela tsisy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/trmich/vao-nitia-anao-aho-taloha | Vao nitia anao aho taloha | TrMich | Vao nitia anao aho taloha
Saro-kenatra ihany
Tsy mba nisy fiafarany
Mbola kely mantsy isika
Nefa... tafalatsaka tao
Anatin'ny fonjan'ny fitia
Tafaray lalana, tafiara-dia
Tsy mba navelany nivoaka
Tsy mba navelany nitraotra.
Notazomin'ny rojom-pitia ka
Tsy mba afaka nitsoaka
Nefa isika kely loatra...
Nifanala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/donam-po | DONAM-PO | BerthiN AinA | Tsy nampoiziko tampoka
Fa ianao no nahavita izao
Tonga aho dia tsy nifantoka
Vao naheno hoe hisaraka amiko ianao
Nangoritsana mafy aho tato an-trano
Fa nandona ny foko zany teny
Ny masoko aminio manganohano
Sady ny vavako nangeniheny tsy nahateny
Manotany anao ary aho hoe inona no tsy ampy
Fa hiezahako hofenoi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/miahotra | miahotra | samiir lien'ju Rafaralah | aleoko kobonina fa tsy ho ambara,matahotra aho mantsy fa sao tsy ho anjara,ilay fitiavana kely hitoetra ho tantara,izay tsy maintsy ho fantatra ihany any afara...tazomina anefa vao maika mitroatra,miketrika mafy toy ny vary mandroatra,manery ahy mafy handositra hitsoaka,nefa tsy eken ny saiko ka dia aleoko navoaka...tn... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/ny-taniko | NY TANIKO | Lova miar'shu | Hafa ihany re ny taniko
mirava bolamena
ny hany mba mamiko
hampivoatra ireo harena.
Hitady ka hamerina
ny kolontsainanao fahiny
fa tiako ho arenina
f'efa simba ny vahiny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/safoto-oh | Safoto | Zoky Eric | Sahirana amin'ny tsy antena
toy ny ankoho mitari~jana~gana
voafatotrin'ny fifanekena
ny fitia ka tsy azo ialana
natao anadahy iankinana
kanjo misikidy ho vady
faly sady sahirana
toin'ny mandrandrana tady
aza atao fitia voangivy
toy ny hazo sy vorona
mbola lavitra ihany fa kivy
izay manina ihany no anantonona... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/tsy-aiko | tsy aiko | Zoky Eric | ho anao irery ihany
ho anao sesilany
ity foko manontolo
dia hafoiko ho anao daholo
ka mba raiso sy tazomy
fa aza asiana lonilony
fa ny hasambarako rehetra
ao izy no mitoetra
ka raiso dia ampifalio
raiso dia kajio
rah ohatra tsy mety
dia esory vetivety
dia avereno ho ahy
fa mety tsy ianao ilay silampanahy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahiry-andry-lafatra/soatoavina | SOATOAVINA | Tahiry Andry Lafatra | Fitia mifamaly mahatsara fihavanana
Takalo patsa vidim-pihinanana
Vava miteny mpampita hafatra
Izaho raha miteny tsy hoe tonga lafatra
Hazo tokana tsy azo lazaina hoe ala
Ny misaina irery maha lasa adala
Mitan_takolaka manisa vitsika
Very fanahy fanahy;miandry izay bitsika
Izay mitoka -monina toa mpamosavy
Mit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/ny-fahasarotam-piaro | Ny fahasarotam-piaro | Santatry Ny Omaly | Ny tovovavy ve !
Raha ny tovovavy no antsoiko ho saro-piaro !
Tsotra be ny antony
Satria tiany ianao ho azy irery
fa tsy hitambarany amin' ny hafa
Ary ao anatiny ao ny ventso sy ny hira ...
Hanaja ilay safidy amin' ny andro sisa hodiavina ...
Ny tovolahy indray !
Raha ny tovolahy kosa no lasa saro-piaro
Aoka I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ary-ianao | ARY IANAO? | RFE Andria | ARY IANAO?
Eny, fantatro fa maro ireo handihy fa tsy hitomany
rehefa higadona ilay ora ka handaozako ny tany
Hitoto rebika izy ireny, handatsa hoe: sakoa 'zay!
ary dia hisaotra ny Andriamaniny, Ilay Ray
Fomban-javatra izany, sady izaho koa tsy anjely
koa misy, eny maro, ireo tsy tia ahy velively
tsy atao dia hah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/ambin-tsoratra | Ambin-tsoratra | Santatry Ny Omaly | Dia novinaky ilay fitia
Natonta mba ho roa
Dia nisaraka satria
Samy tofoka ny fo !
Ireny rediredy ireny
Nampanentana fitsiky
Zary hira toa nanjeny
Zary kalo toy ny ts'isy
Iny volana fitaratra
Nandravaka ny alina
Indrisy fa niraraka
Nanakona ny marina !
Ka ho afeniko ny penina
Namanto ny endrikao
Fa ho sol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tia-mangina | TIA MANGINA | RFE Andria | TIA MANGINA
Oh! ry foko! Oh! ry foko!
Mitiava ianao mangina
Ary aza dia mifokofoko:
Tia anao ilay olon-tiana
Na fitia an-tsokosoko
Tsy maninona izany
Mampanalavitra toloko
Mahasambatra ihany!
Izany no fitia madio
Fitia tsy voapentin-doto
Fitia mahasetra ny tadio
Fitia tsy misafotofoto
Fitia lalina am-panah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/mbola-malahelo-aho | MBOLA MALAHELO AHO! | BerthiN AinA | Sivy ambinifolo taona izay ny lasako
Alahelo foana no nameno ny andrompiainako
Tsy nisy fifaliana mihintsy ny ahy
Fa tsiky fiatsarambelatsihy no ataoko tsindraindray
Amin'izao tsy satriko ny halahelo @nity tsingeritaona
Nefa dia mbola tsaroako eto indray ny faha telo taona
Naha kamboty ahy tanteraka
Dia ny nahaf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/lasa-ianao | Lasa Ianao | Zoky Eric | ny foko mbola tia
kanefa voafitaka
mbola tena nankafia
kanefa voahitsaka
dia lasa ianao ry tina
satria nahita olon~kafa
zary lasa nangina
ilay fitia hoe tsy hovoafafa
tsy homeko tsiny ianao
tsy arahiko alahelo izany
satria nataonao kilalao
nefa ny ahy tsy mety lany
tena voafitakao
ity foko feno ratra
iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/lasa-ianao-lasa-ianao-f | "LASA IANAO" lasa ianao f | samiir lien'ju Rafaralah | "LASA IANAO" lasa ianao fa tsy hay sakanana,lasa fa nahita namana.lasa tsy mba azo niangaviana,lasa fa nahita olon-tiana. dia navelanao teo ny foko,navelanao teo hitoloko.navelanao ka nadinoina,mba miangavy aho re! mifona.mandehana soava dia,fa mbola tia anao ny atÿ.miverena rehefa leo! f miandry anao ti foko mitoreo! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/satria-poeta-aho | Satria poeta aho | Ra'Ony | Satria poeta aho
Dia manoratra ho anao,
teny no arendrika
ka tontolo tsy misy endrika
zay hiainanao
no lokoiko tohizao...
ny miafina tsy hita, any ambadiky ny lalina
no arosoko ho anao, azavana ho an'y alina
Satria poeta aho
Dia hivazo ho anao, resin'ny fitia
lavon'olon-tiana, fo te hiara dia...
hanavao fana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/fahatsiarovana | FAHATSIAROVANA | BerthiN AinA | Ho fahatsiarovana ilay
Fitiavana nahamay
Naborako taminao izay
Ity tonokalo iray
Aza manome tsiny
Raha haveriko ny fahiny
Dia ilay resako tamin'iny
Hoe tiako ianao taloha sy ankehitriny
Mbola ato ampoko izany
Ary mila hampitomany
Raha mametsovetso anao any
Indrindra rehefa aho aty aminy ankany
Eny mino aho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/faniriana | FANIRIANA | BerthiN AinA | Faniriako ny mba ho sambatra
Nefa indrisy ny fiainana miangatra
Nanome fahoriana ho ahy hantrany
Ny tanjony dia handavo ahy @tany
Efa ela mintsy no nijaliako taminy fiainana
Satria tsy nisy na iray azo mba hitarainana
Fa dia niady irery
Niaritra na dia mafy ny kapoka sy vely
Nikiry foana anefa aho noho ny fanir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.dina/maina-ny-tany-maty-ny-bib | Maina ny tany
Maty ny bib | R.Dina | Maina ny tany
Maty ny biby
Ritra ny rano
Malazo ny zava-maniry |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/slm-j/mendrika | MENDRIKA | slèm jâ | Raha ny voalohany mendrikamiko ianao,ny faha roa dia efa MENDRIKA atraminy anaranao,ny faha telo ny fidobokiny foko eo anilanao,ny faha efatra dia ny fitiavako anao,ny faha dimy farany dia fiainako ianao mandrakizay,ilay fitiavana masina tsy mety may. MAHERY NANTENAINA(slem ja) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/fahafatesana | FAHAFATESANA | BerthiN AinA | ny fahafatesana tsy mifidy
na antitra na ankizy
refa hoavy izy dia tsy milaza
any faty no miapatra vao gaga
iJesoa nilaza fa hoavy toy ny mpangalatra
dieny izao manaova ny tsara fa raha maty tsy manafatra
aza manao andriamanitra tsy misy
fa ny fahafatesana raha tonga tsy mitsitsy
mivavaha miambena mafy
mba tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/mendrika-hoahy | MENDRIKA HOAHY!! | BerthiN AinA | Tsy nanenenako avokoa zay vita
Na dia ny tsara indrindra eny fa na ny ratsy
Satria efa maro ny olona ny nahita
Ny fiovako toetra sy fanahy
Tokony ho filamatra mantsy izaho
Ho an'tanora sy ny ankizy
Ko izay no napiova ahy toy izao
Fa tsy hoe voadonany krizy
Mila ny fanapiako ireo sahirana
Sy ireo kamboty mikasa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ernest2015/iaretako-hatrany | IARETAKO HATRANY
Iaretako | ernest2015 | IARETAKO HATRANY
Iaretako hatrany
Ireo tenimafinao, ka nampijaly ahy
Ireo disadisa lava, nampitomany ahy
Ireo adiady fanaonao matetika
Ka manimba ny eritreritra…
Iaretako hatrany
Ny fodinao alina isan'andro lava izao
Ny sotro-tokanao sy filam-banona tsotra izao
Ny kasin-tananao izay mandratra ny vatako
Ny tot... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.