url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/le-reveur/indro-re-ny-foko
Indro re ny foko
Le Reveur
Indro re ny foko, Omeko sy hafoiko Ho anao manontolo, Ka ataovy tsara kolokolo. _ Indro re ny foko, Afoiko,tsy arahiko toloko, Ka aza ampijaliana Fa tsenao am_pitsikiana. _ Indro re ny foko, Tsy ilay mora miova loko, saingy mora misy tasy, Koa mba raiso tsara dia fonosy an_taratasy. _ Indro re ny foko, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fthy/...efa-fantatro-ny-tinao
...Efa fantatro ny ti'nao
Fthy
...Efa fantatro ny ti'nao ambara Hoe ny antsika anie tsy anjara Dia terenao ho zany ve? Nef tokon hanontanianao ian re, Ny fitempon'ny fo Sao lahy mba mitempo ho ahy koa Raha izaho ne efa fantatrao, Fa ny foko mitempo ho anao Tsy fitiavana vao omaly Fa fitia tena natoraly Fitiavana madio tsy misy siosio Ry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kalo-tia/nofiko-nofiko-ho
“NOFIKO…” Nofiko ho
KALO-TIA
“NOFIKO…” Nofiko hono hoe : indray maraina izay Teo an-jaridaina nisy tovolahy iray Toa mihondrika izy izany, ary koa mijerijery Avy eo nitraka dia niroso, nitondra raozy mavokely Mamindra mankaty ny fijeriko azy izany Tsy mitraka mihitsy fa mibanjina ny tany Asa inona angaha no mahavariana azy ao Sa mitily iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tongava-aty
TONGAVA ATY
RFE Andria
TONGAVA ATY Eto am-pandriako amin'ity misasakalina No ivetsoako irery sy isentoako lalina Mitazana avy eto am-baravarankely Ny endrikao an-danitra misarina anjely... Tokoa mantsy ianao tsy eto ankehitriny Ka an'eritreritro manasa anao hivahiny Hamangy izato nofy zary lasa fotsy Meteza re ianao ho avy handrotsir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mankaleo
MANKALEO...
RFE Andria
MANKALEO… Aoka izay fa leo aho ! Tsy akory hoe mizahozaho fa tena boboka sy tofok’ ireo izay tsy mahovoka tsotra izao minia manimba ary koa manimbazimba ny fiteny malagasy voapentina, voatasin’ ireo soratsora-poana*… Sady izay tsy tsaroan’ ny malagasy mihamaro fa ny teniny afangaro litera tsy anaty abidia,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/rilay-fifaliako
R'ilay fifaliako
Ramiadanarivo fetraniaina
-Ento aho handeha Hiaraka aminao Hataoko rehareha Fa eny tsara ianao ...R'ilay fifaliako -Tsidiho isa-maraina Ao an-tranoko ao Hampitony saina Hampisy vaovao ....R'ilay fifaliako -Fenoy anao ny fo Hampety ny fiainako Ny nofy re ho to Ho foana ny tarainako ...R'ilay fifaliako -Antsoy ny fitiavana Ho tong...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/apetraho-ny-cv
APETRAHO NY CV
Skual
Firenena iray atao hoe Madagasikara Mitady maika Mpitondra tsy mba daika Sady tia mangarahara. Tsy mpitondra be kabary Mampiesona isan'andro Dia mampanonofy atoandro Tsy ilay te ho hita sary Tsy mpitondra be marenina Sy jamban'ny dolara Dia ny gasy diso anjara Tsy mpitondra mampanenina. Tsy mpitondra midororo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/ny-sarinao
NY SARINAO
Ny Ami
NY SARINAO Eto antongom-parafara aho no miondakondan-tsandry, Tsy tafandrimandry mahita iretsy sarintsika miranty feno tsiky etsy andoha fandriana iretsy. Jereo anie ireto isika e!lafatra aoka izany Toy ny tsy eto an-tany fa mirindra anaty habaka, Tena hita hoe miavaka e? Eto aho ity no manisaisa rihana.. manof...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-sitrakiniavo/tsy-ho-efako
TSY HO EFAKO
Zo Sitrakiniavo
TSY HO EFAKO Tsy ho efako ny handrara ny masonao tsy hitopy amin’ny laingon’hamanjana mamelana eny ho eny …fa fotsiny aho mitoky amin’ny vavanao miteny fa ampoka fitia mahita hasambarana amin’ny fatotra sy gia!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/rediredin-tokan-drery
REDIREDIN-TOKAN-DRERY
RFE Andria
REDIREDIN-TOKAN-DRERY Misasakalina misesy taitra irery aho lehiretsy Jalim-po, fahoriana: tsy hita izay itomaniana Aiza re ny fanafody? Sao izao no atao hoe tody dia ilay todim-pitia mampaharary, mampahia? Any mantsy ianao izay, izaho aty mangaihay singan'olona, toa very mirediredy tokan-drery...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-izaho
TSY IZAHO
RFE Andria
TSY IZAHO Raha ianao izao mitady poeta efa gaigilahy avo lenta aingam-panahy, any an-kafa manontany misy maro any ho any, betsaka ireo andrarezina zavon-tany raha tetezina, tsy vitsy koa ny matihanina mamokatra asa mahamanina sangany amin’ny fiantsana mpitononkalo igagana… Fa raha izaho, tsy poeta fa mba m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teo-aho-no-niala
TEO AHO NO NIALA
Fredy Jaofera
TEO AHO NO NIALA Teo aho no niala ka avelao re ny foko f'izaho tsy adala raha alahelo no misoko. Teo aho no niala ka avelao re ny saiko fa izy tsy nahalala fony trotraka ny aiko. Teo aho no niala ka avelao re marina fa izy nankahala fony izaho nivarina. Teo aho no niala ka avelao re no teny, ny ora naman...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/lay-poeta-toa-anao
'LAY POETA TOA ANAO
ILIMIM JIVISDI
Ry Poeta inty aho, mba iraho! Mba hitsidika ny vohitr'ireo habakabakao Eny an-danitry ny nofin'ny Tontolo vaovao R'hefa eny an-tanifoanam-pahasambarana efa lao Amin'ny alin'ny raho-mangan'ny masoandro mitatao Ry Poeta inty aho, dieny izao! Mba trotroy an-dranom-bavakin'ny hiran-tononkalo Raiso ho toy ny zanaka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/mitomania
MITOMANIA
hjravs
MITOMANIA! (setrin'ilay tonononkalon'i Rado "Mitsikia"!) Mitsiky, ianao, mihomehy Endrey, ravoravo sy mirana tarehy, faly be tokoa ka maneho ny fihetseham-po... Fa nony injay, ianao, seranin’ny manjo na malahelo koa, Ny ranomasonao kobonina tsy hirotsaka, fihinina tsy hitosaka giazana ao anaty na mandifotra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/ny-androko
NY ANDROKO
ikaloyna
NY ANDROKO Maizin-tsy hariva ny androko eto, ny tany hitodiako tsy tazako hatreto. Ny lalan-kodiaviko lavitra loatra ... Tsy afa-mihoatra irony dongo-miavosa ity elatro kely, ity elatro osa, toa ravi-manjeny atopan-tafiotra : mivezika atsy, mironjona aroa, tsy fantatro ho aiza ? , tsy haiko mazava hatrami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haingo-tia/fiainana-modely
Fiainana modely
Haingo Tia
Tamin'ny mbola kely mitovy ny saranga Samy miosina avokoa rehefa mihinana manga Iraisana daholo ny zavatra rehetra Tsy hita tamin'izany ny haratsian-toetra Ekeko nisy ihany ireo miseho ho mafy Maherihery setra sy tia migafigafy Nefa izy ireo no mpiaro rehefa ilaina izany Mitsinjo ireo kanosa izay mora mitomany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fthy/fakam-panahy
Fakam-panahy
Fthy
maso mitopy malefa_pijery kanefa miangoty no sady mahery fa tara_pitia manomboka hamelana te hanakaiky tsy misy elanelana ka dia tsaroako mamoha vavahady hambabo ny foko ho resy tsy miady tiako handosirana kanefa iverenako... raha ihodivirana sao hanenenako kanefa iny lahy raha mbola miverina dia fakam_pa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/lasinny-jasy
LASIN’NY JASY
ILIMIM JIVISDI
Tsara ve ny Lasy ? Baraingo iray mipetraka Afa-po aloha ny JASY e! Raha fintinina ny resaka Tsy azo atao ny miadiady “Raha hibanjina ny ho avy” Nefa tao ‘reo tojo VADY Tojo izay sahazany avy Ny Hafaliana, tahak’inona? Kibo koa nitafotafo Tao no vokin’ny “DATING” Tao no voky ara-tsakafo ‘Ndeha asiana teny ke...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/ilay-tsikiko
Ilay TSIKIKO
Ora
Mitsiky aho satria Izay no endrika hanafenako Ireo sento sy toloko mitampify anatiko ao Mitsiky aho satria Efa hatramin’ny fahazaza Toa fahoriana lalandava Ny fiainako! ary hatram’izao Mitsiky aho satria Raha ny sentom- poko lalina Zakaiko andro aman’alina Tsy ataoko fantatrao Mitsiky aho satria Tiako mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-hafalianafitsikiana-ary-ny-fitiavana
Ny hafaliana,fitsikiana ary ny fitiavana
Ramiadanarivo fetraniaina
-Tsara re ny andro raha misy hafaliana K'izay olona mandalo toloram-pitsikiana Ho vanona ny atao raha isika hanao izany Izany ange mahery tsy resin'ny tomany -Izany hoe mifaly dia sokajiana ho tsara Singa mahakanto mameno ny tantara Izany hoe mitsiky....eny tena lafatra Ka azo ampitaina ho anao mpitondra hafatra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/maminity-peniko-hikorisa
Mamin'ity peniko
ikaloyna
Mamin'ity peniko hikorisa hatrany anaty diarinao hanao kisarisary, satrin'ity sodiko hanaraka eny ihany ny hirahiranao manainga ny vinany, lalain'ity fanalako hanilo sesilany ny trano bongonao tsotra nefa mamy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kalo-tia/isika-roa
"isika roa"
KALO-TIA
Efa ho taona iray tokoa Izao no niharahatsikaroa Ka mitsingerina androany Ka nanomboka teo dia niara-dalana ny fo Nandroso sy nihainga ilay sambotsikaroa Maro anefa ny nandrava sy nisakana ny dia Nandalo fisedrana mafy teny an-dalan’ny fitia Hatezerana, alahelo, nolalovatsika teo Ny fifamaliana hasosorana, teny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/vatolampinny-fahamarinako
VATOLAMPIN’NY FAHAMARINAKO
ILIMIM JIVISDI
Fa ny Elatry ny Ray Mpandrindra, No Indramiko eny ampanidinako Eny an-tendrombohitra avo indrindran’ Ilay VATOLAMPIN’NY FAHAMARINAKO Ny handao anao anie tsy ho sahiko Ny Ilofika amin’ny fahotana koa Mifohaza tao ianao, ry fanahiko ‘Ndrao hahatora-kovitra tokoa Iriako loatra Tompo izato lalako Sy izay sahaza 'l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-laitra
TSY LAITRA
RFE Andria
TSY LAITRA Raha ny handika lalàna Isika Gasy dia igagana Avy eo migoka ny mafaitra Dia mitaraina: tsy laitra! Na ireo mpitondra ambony Na ny toa antsika itony Mahita làlana dia taitra Voadona vao: tsy laitra! Za-dratsy dia tamàna Amin-dàlana malama Anarina fa tsy mandaitra Lavo avy eo vao: tsy laitra! Tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/ny-hirantsika
Ny Hirantsika
hjravs
NY HIRANTSIKA Tendreo, tendreo lesy, zandry, fa efa bobaka ny miandry ny ritsoka gitaranao. Be 'reo tsy tafandry mandry te hihaino vazo vaovao. Manko ny hirahirantsika tsy hala-tahaka nadika fa sombin-kafatra amin'ny lafatr' ireo mankafy ny fanamperana hikolokolo ny tontolon' ireo tsy manan-kianteherana h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/adinony
ADINONY
RFE Andria
ADINONY Nakopany ny elany dia indro fa navelany, nilaozany ito namany narahiny ny akamany Mantsy izy ary elatra mamiratra, mitselatra nisidina any ambony ny fanahy sy ny fony an’habaky ny poeta tontolo avo lenta … Adinony aho angamba fa mbola mihambahamba mbola mirefarefa tsy manana traikefa tsy maharaka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsirairay
TSIRAIRAY
Fredy Jaofera
TSIRAIRAY Ny sedra tsirairay dia lesom-pahendrena hamelona amin'izay 'reo hiakam-pandresena. Ny jaly tsirairay dia fianaran-tsarobidy hanolo ireo sakay hampipoitra ireo safidy. Ny ady tsirairay dia tolona mahomby, na nisy nahamay, ho ngeza toy ny omby. Ny rava tsirairay dia toky mahavanona hampiorina ind...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ilay-reniko
Ilay reniko
Ramiadanarivo fetraniaina
Ilay reniko fananako No inty tsy hita intsony Ny hasambarana nananako Fa nanakaiky ahy ny fony -Mijaly ity kamboty reny Mandeha sy mamindra irery Fa ireny anatra sy teny Notazomiko tsy very -Aiza re izao no haleha ? Fa tsy eto intsony I mama Moa mbola hirehareha ? Nefa ity lalana malama -Fery iray tsy hay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-solo/tsihay
Tsihay
Ny solo
Raha nibaliaka iny volana iny, Dia nahatsiaro anao zaho tamin'ireo lasantsik fahiny. Toa nitondra hazavana sy taratra ho@ amin' ny tsihay, Fony tsika roa mbola niray tamin' izay. kanéfa dia indrisy nohajain'ny rahona. ka nafeniny tsy ho hita,mba tsy hotafahaona. Izay fiainantsika mamy izay,tsy mba notoha, Jary r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraka/kopakopaka
Kopakopaka
Sitraka
Reko tao ho ao Fa lasa hono ianao Nanjavona tsy hita Nisosa ianao ka nita. Dia reko ihany koa Fa ny dinantsika roa Nentinao nidify Ka tsy nanana tandrify. Nadio ankehitrio ny rano nitana. Dify rahateo ny laka-nisosana. Embona sisa no azo tantaraina. Ny fandinoana no indro andrandraina. Kopakopaka mahalana h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/raha-fitia
RAHA FITIA!
JAO Anjara
RAHA FITIA! Tsy mba vola na harena no tadiaviko aminao, Fa fitia sesehena toy izao anio izao, Tsy hitady tombotsoa na variraiventy, Fa ny any anaty fo no andrasako hirenty Tsy hijery ny endrikao na izay hakantony, Fa ireny dia ho rendrika,vetivety dia ho takona, Fa ny fo fanahy… izay no ilaiko, Tsy hisy hampana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/dimy-taona
Dimy taona
JAO Anjara
Dimy taona Dimy taona lasa ,misasakalina indrindra Volana somamby,no nandrakitra diary Ilay alina kinasa,nampitsiry ny famindra Fony isika nifanamby,ilay voady vita sary Volana somamby,no nandrakitra diary Fa misy fo mitempo,hitambatra ho iray Fony isika nifanamby ,ilay voady vita sary Fa niendaka sy niempo,dim...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/ity-noely-ity
Ity noely ity
JAO Anjara
Ity noely ity Ny faniriako anao androany Ho tojo indray ny mamy F’efa lasa ny andro ratsy Mitombo indray ny vatsy Dia ho sambatra doria Amin’ity fiainana ity Hogoka hasambarana Hivoha indray ny lalana Ary mba ho falifaly Hisind a koa ny jaly Dia ho tojo ilay fitia Ho tafita soa ary Fa ilay mpahary Namoron...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/anatra
Anatra
JAO Anjara
Nokapohiny aho,tsy nahatsiaro naharary Nandalasiny aho... fa tsy nahare na inona na inona! Rahoviana aho no hifoha?... Mbola ilaiko ihany izany! Ny hanadray rankizy, toy ny tsipak’ombalahy Ampiekeo famaizana ny fo, tsy hanenina any aoriana! Mihainoa ka hendre… Fa ny tenim-pahalalana…ilainao ihany izany! Aza misak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-solo/ilay-takarivanny-foko
Ilay takarivan'ny foko
Ny solo
R' ilay takarivan'ny foko Eto mantsy isika eto izao Ny fo be fisento, feno toloko.Nilaozan'olona. Fa tsy tsara soratra hono izao sy anao Misengy ny malama loha mantsy ijy ireny Ka manao setroky ny kitay nangatahina Tsy mba miherika ny nahazoana teny Kanefa mba mitafy salaka am-balahana Handao antsika koa izao,I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/alina-mangina-anarann
ALINA MANGINA
Ari Ira
Tsiaro ilay Tiana no manao be fisesika anatin’ny foko. Tiana ny Tsiaro fa tonga Mampionona ahy sy ny Finoako. K’anaovako Tsanta hananganako Rova Mahefa, na- Niry ilay tsiaro, ny anaran’ny tiako nahabe fahoriana no eo mifangaro. Ary ananako Zo ny hanana endrika Mirana handefa vinany. F’ireo Felantsoa ire...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/tirlirovoliroliro
Tirôliro,voliroliro
JAO Anjara
Tirôliro,voliroliro Tirôliro,voliroliro… Tirôliro,voliroliro Raha mpivady no mifankatia an ! Sarotr’aminy ny hikodia, Dia hiteraka fitolahy sy hiteraka fitovavy, Hanasitrana ny malia ,sy ho solon’ny tambavy Dia haharitra rahatrizay Ilay fitiavana ho iray. Tirôliro,voliroliro… Tirôliro,voliroliro Raha mpivady n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hery-nar-eric-rh-mayam/fiangaviana-farany
FIANGAVIANA FARANY!
Hery Nar Eric (Rh Mayam)
Aoka izao dia hambara, lazaiko amin'ny saina tony Fa raha ianao handao, ka tsy hiverina intsony Iangaviako re ianao, ilay vavahadiko akatony. Ento ny fanalahidy, ka aoka hihidy mafy tsara Dia vonjeo ilay tianao, sao mantsy ka ho tara Hionona ny saiko, raha toa ny antsika tsy ho anjara. Aleo ny hifandrotra amiko, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-misy-fialonana
IZAY MISY FIALONANA...
Fredy Jaofera
IZAY MISY FIALONANA... Izay misy fialonana, misy korontana sy ireo fifandonana, sarotra avotana ! Izay misy fialonana, misy haratsiana, na ho takontakonana mody tsy tiana. Izay misy fialonana, itoerana ahiahy tsy mba iombonana etoana, ry lahy. Izay misy fialonana misy haresena, na ny ho vovonana no efa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/taxi-be
TAXI BE
JAO Anjara
Taxi be O ! ry mpandeha hajaina Tsy mba sasatra mandeha Ilay nifoha maraina Sy manome frais Raha mba sitrakao Ny hampaharitra anay Aza lavina izao Mba kajio izahay Ny rano izay sotroina Efa tena miha kely Isanandro hiaramboina Eny Ambodivonikely Tsy mitsaha miaka-bidy Na ny rano na ny koja Hatramin’ny fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/miandry-anao
MIANDRY ANAO
RFE Andria
MIANDRY ANAO Na rahoviana na rahoviana Miandry anao aho ry tiana Alina, maraina, atoandro Miandry anao aho isan'andro Tehiriziko hatrany Ato am-poko ilay mamy Ilay fitia efa fantatrao Fa natokako ho anao Ho anao irery akia Malala Fa tampisaka tsy miala Izaho tia ka mahandry Ny fitiavanao no andry
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-solo/embona
Embona
Ny solo
Any mantsy ianao any izay r' ilay olon-tina lavitra ny maso fa takatry ny saina Ireo eritreritra fanamby sy visavisa Mila hasetry ny rivotra lasa hobangaina Raha ny sambofiarantsika dia mbola eto ihany Ianao tsy nandao fa nialoha lalana ny tany Ka homano ao re ny tranombongontsika Fa ny maso mikipy izao no ela m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/misaotra-ray-o
MISAOTRA RAY O!
RFE Andria
MISAOTRA RAY ! Nisamboaravoara ery ny fiainanay aninkeheo Saika nampangaihay sy nahavelona toreo Nefa kosa re ry Ray, soa hatrany Ianao fa teo Niteny tamim-peo tony : “ny FITIAVAKO jereo!” Ilay sandrinao mahery no natsotranao hitantana Ny fidiranao an-tsehatra , tena tsapanay mivantana Hoy Ianao: “fa ny zanako, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/misaotra
MISAOTRA
RFE Andria
MISAOTRA RAY… ! Misaotra Ray fa nomenao aina indray na tsy mendrika izahay tsy nataonao antsonjay hatrizao ka hatrizay Misaotra Ray noho ireo heloko voavela na ny vao na ny ela nanapoizina ny sela ka nampamadibadi-dela Misaotra Ray ny amin’ny tanjaka sy hery, nanasitrana ny fery, tsy namela anay ho irery,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hery-sitraka-rasambanjohary/ilay-fitiavako-anao
Ilay Fitiavako anao
j
Nafoko ny faha-zazako Fon'ny izao naitanao Ny akotrizay tsy no zahako Fa nanome toky fa anajanao Tsy mba nampirafy Fa mba niezaka niafy Ny tsiriritra no azo atao Fa fadina ny miteny oe tiko ianao Nafoko ho anao daholo Ny amiko rehetra Ilay fitia tsy oe mandalo Ka sanatry raha misy fetra Fa fitia mandrakizay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/neny
“Neny”
JAO Anjara
“Neny” Ry Neny tiako indindra sy malalako eto an-tany, Ny fitiavako tsy afindra fa ho anao irery ihany Ianao no mpandrindra sy masoandro nahitàna Fa ny fiainako rehetra no namoizanao ny aina Ka nikolo tsisy fetra ,tsy namela ho karakaina Ary koa niava sy nandena,ilay vazy vao maraina Tsy ho nofy ankehitriny, ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/fitia-adaladala
Fitia adaladala
JAO Anjara
Fitia adaladala Ny alin’iny aho raha natory,nieritreritra anao Ilay isika roa niara nivory,andro maromaro izay Hery hafa tsy nampoiziko no nanintona injao Ny endrikao nanjary nofiko satria nambabo hay Asa raha mba tsapanao ny am-poko tsy milaoka Fa ny fahitana anao,toa fitia tapitr’ohatra Rahampitso aho dia ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/misasakalina
MISASAKALINA
RFE Andria
MISASAKALINA Tena tsy pizinin-tory Toa tsy afa-tsorisory Mosarena, oriory Lavi-tiana, atao akory...? Irery ka toa mangatsiaka Ny alina avy toa masiaka Ny masoko midiridiry Ny foko koa mamirifiry Hany heriny, tomany Mampita vetso any ho any Fa ilaozan-torimaso Nosangian'ny ankaso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gin-yellow/tolona-anaty-mozika
"TOLONA ANATY MOZIKA"
Gin Yellow
Novahana ny tady nifamatorana anaty fiainan'alika Dia nivily lalan-kafa hono ny azy ny fika Nandeha nanangana paradisa anaty mozika Dia nampitratoka fanondro adala anaty politika Izy ty efa tsy voasokajy ho isam-pokonolona Voafantina ho mozika hono ny azy ny tolona Satria efa voasoratra anaty boky tantara Hoe RA...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/lavitra-olotina
LAVITRA OLOTINA
Tahina Fabien
E!!manirery zato foko Dia miventso mangina, Rempotry ny toloko; Fa lavitr'olotina Ny saina tsy mitombina Fa manaloka ny endriny Ka anolotra na sombiny Teny kely amin'ny peniny, Ny zaridaina no miloko, Ka kanto sy marevaka Mahasondrina inty foko, Izay mitady mba ifezaka Dia ilay tokako any mantsy, Vorokely...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gin-yellow/fo-takona-alahelo
"FO TAKONA ALAHELO"
Gin Yellow
Fo kely iray misento nodomim-pahoriana Tomany anaty ventsoventso nilaozam-boron-tiana Nekeko hatrany hatrany nekeko ampitokiana Hafaliana tsisy hoatr'izany izao lasa itomaniana Nantenaiko hiara-paly nantenaiko hiara-ory Kanjo lasa nampijaly sady kosa nampahory Toa bay no mamonto ao anaty miambesatra mivory...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/...foana
...Foana
JAO Anjara
…Foana Ny sakafo aza mamanala, Ny fanaovan-jiroko efa foana Ary ny ranomasoko nanjary ritra, Hisasaka ihany ity ny alina kanefa ianao tsy hita... Tsy indray, tsy mba indroa Fa isan’andro izao manempoka ianao Ny ankizy vonton-drano,tsy mipizo tory Ho vato ihany izany fo fa mbola tsy hita ianao… Hadisoanay ve ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gin-yellow/fo-takona-alahelo-2
"ENY TENA NGAINA AHO!!!"
Gin Yellow
Marina fa tsy ho tody Ny sambo vaky an-dranomasina Ny niraraka ho tany tsy hipody Dia veloma masina Tsy nitoetra fa nihelina Norava toy ny fanasina Tsy naharitra fa niserana Diamonja very hasina Niainga tsy nahina Nanidina nitsipak'aina Notsofin-drivotra mangina Toa tany mando mora maina Nangatriaka moramor...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/hafatra-ho-anao
HAFATRA HO ANAO
Tsanta MIKANTO
HAFATRA HO ANAO . Malala a, Tsy manam-bola aho na harena, na tahirim-bolamena, Kanefa kosa ; tsy hitrosa, Fa : Hifampizara am-pitiavana, ‘zay kely anananako rahavana ! Tsy tsara aho ,tsy tonga lafatra, na olo-be pahafantatra, Kanefa kosa matokia ; Fa : vonona hifangia,… aminao irery ny atifoko, na ho tom...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/teny-amininy-lalana-iny
Teny amin’iny LALANA iny
Ora
Tena tsy fantatrao tokoa zay tao am-poko tao ary tsy holazaiko anao raha nifanena isika teny amin’iny lalana iny toa tsy sahy nifampijery na dia samy nandeha irery… ity zaho moa dia nody fanina tokoa raha vao nahita anao nefa ny tao am-po nientana avy hatrany, nibitaka aok’izany tsy hay hoe hery avy aiza ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy-kalo/ngidinny-fiainako
*NGIDIN'NY FIAINAKO*
fy kalo
Tsy haiko ny hanambara Ny ngidin'izato fiainako Eny,tsy vitako ny hitantara Ny mangidy izay niainako Tsy fizarana hafaliana mantsy Fa toloko sy fitarainana Tsy fantatro ny mamy Fa ny mangidy ny ahy no iainana Tsy tambitamby na teny mamy No reko hampionona ny fo Fa latsa sy teny mankarary Tena mafy saingy ata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/tia
Tia
Ra'Ony
Asa aloha raha haiko ny mitia anao fa tena tsy mba sahiko ny hoe hilalao Mba ho ampy ve ny fatra ny fitia zay nomaniko ho anao Fa tanjona Doria no tiko ho lazaina izao. Asa raha 'lay hani-bonikazo tena hankafizinao na lay tena vazo 'lay hankafizinao zato entiko eto izao. Kanefa, na hoe tsy 'lay lafatra h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy-kalo/tsy-rarahiko
*TSY RARAHIKO*
fy kalo
Tsy hiasako saina intsony Izay safidim_pony Na hiaraka @olon_kafa aza tsy ahoako izany Sady tsy halahelo aho no tsy hitomany Izahay koa efa nisaraka Fa amiko ny anay efa rano raraka Na hanaratsy na handatsalatsa Tsy rarahiko fa izaho ihany koa mahazaka Tsy rarahiko izy na harary na ho faty Fa ny fakahalako azy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gin-yellow/rohy-foza-1
"VOAGEJA NY TANÀNA"
Gin Yellow
Najoro ny fahamarinana dia mody nofoanana Sao hisakana ny hala-bato isaky ny fifidianana Natahoran'ny mpitondra dia nasiana ny lalàna Moa mba misy manaja izany ve ireo mpitondra fanjakana?? Ny ambony tsy lamaody,anjakan'ny fitiavan-tena Hany ka mangala-danja ireo mpivaron-kena Dia mbola indreo mirehareha ireo gis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy-kalo/ekena
*EKENA*
fy kalo
Ekena, raha izay no anjara Ekena ,raha izay no hitanao fa tsara Ekena, raha safidinao ny handao Ekena ny safidim_ponao Ekena, raha izay no lahatra Ekena, izay hitanao mahasambatra Ekena, ny safidinao handeha Ekena ity fo tsy afaka hamehy Ekena, ny zava_misy Ekena, fa saingy indrisy Ekena, fa aleo aho hody Ek...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/niova-tontolo
NIOVA TONTOLO
Ny Ami
NIOVA TONTOLO!!! Malala ô! oay bavy mantsy e! Etsy,etsy..... teny farany e! Tsy faran-teny akory fa fara hafatra mafonja! Malala a? andray Bavy iky!!Rahampitso angamba,..... androany mihitsy mantsy e! hanafatrafatra aho mialohan'ny hisarahana. Tsy haiko hoe rahoviana no hiaonako aminao? Fa anio,dieny anio, dia t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/mila
MILA
Ny Ami
Mila..... ........Mila fopitra mafana aho fa te hamindro maizim-bolana, Mila......elo iray mivelatra, fa kontsan'andon'orana Mila....farafara fa mitady izay itsorana Mila anao rehetra fa mitady hanamgan-torana.......... Ny antony?........ANJARANO NY MAMINANY
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/tokana-aman-tany
Tokana aman-tany
Ora
Ataoko angamba fa raha misy koa Olona milaza fa tia dia tena tia Dia tsy misy afa-tsy ianao Ataoko angamba fa raha misy izany Olona miteny fa mihari-pery Tsy misy afa-tsy ianao irery Ataoko angamba fa raha mbola misy Olona mijaly eto ambonin’ito tany dia mbola ianao hatrany Fa tsy angambangamba kosa Lay Fitia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy-kalo/nofinofy
*NOFINOFY*
fy kalo
Eny nofinofy embona sy hanina Kalokalo rotsitsy Hatsiarovana ny lasa Tandindona maha manina Ny andaniana izato alina Sarasary ao an_tsaina Hitondrana ny maraina Mandinika hatraiza no efa vita? Mba hanoizana ny sisa Nefa...Toa lany andro mitanisa Toa verivery saina Tsy mba mifidy fotoana Fa lasa saina foana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rh-mayam/ilay-fiangaviana
ILAY FIANGAVIANA!
RH Mayam
Misaotra an'iRanoly namaly ilay tononkalo FIANGAVIANA. ILAY FIANGAVIANA Andro harivariva, mivolom-bolamenan'ny masoandro iva Nandona moramora ny varavarana aho, niditra ny trano. Reny iray nifokofoko sy manganohano no nanatrika ahy teo. Nisefosefo fiaina, tsy nahavoaka feo... Noraisiko ny tanany Dia notoniako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gin-yellow/rohy-foza-2
Ho foana hono ny zavona,
Gin Yellow
Ho foana hono ny zavona, hibaliaka ny masoandro Hatrizao tsy mbola niova ny jadona isan'andro Tapitra nanakona azy ireo lainga feno harona Milaza tia tanindrazana,tsy hay hatramin'ny tantaran-dRanavalona Gaboraraka no hita,rakotra kôzy be masiso Ny antenaina hanazava indray no mazana mpanao risoriso Jereo ireo mp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/eny-samy-tia-tokoa
Samy tia
Ramiadanarivo fetraniaina
-Eny samy tia tokoa Mifankatia isika roa Mifankatia sy mifamatotra Hiara-hisedra izany sarotra -Eny samy tia tokoa Hifanolotra ny soa Hifampizara hafaliana Ka ho to izay niriana -Eny samy tia tokoa Izay volena dia namoa Ny kinasa dia tanteraka Manan-kery tsy mba reraka -Eny tena tia ka resy Izaho mitia an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy-kalo/hangina
*HANGINA*
fy kalo
Hangina aho ry tiana Satria mahalala tsy tiana Tsy hitaraina @nao reo fijaliana Na dia mafy aza ny fangirifiriana Eny hangina aho Raha izay no sitrakao Hitana izany ho ahy ao am_po Ary hampangina ilay fitiavako ihany koa Hanoratra aho sisa Ilay tantaram_pitiavantsika Dia hamoaka ny haingam_panahy Nefa hangin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/vahoaka-zandry-a-jereo
VAHOAKA, Zandry a! Jereo
Telomahery
VAHOAKA, Zandry a! Jereo ny zava_misy fa raha resam_pifidianana no mbola ifaninanana: dia atsangano aloha ny tanana, ho dinam-pihavanana!!! Maro anie ny ngeza e!! mpisandratra amin ny seza, milaza ho tafavoaka fa laninao vahoaka, tamin ny fangalaram-bato tafavoaka tato ho ato Dia avy ireo mpitondra mandra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/raha-misy
raha misy
Telomahery
RAHA MISY... Raha misy manadala, mitady hamaky vala. Dia tiako ianao malala ka arovako amin ny bala. Raha misy misafidy, dia raisiko ho adidy mbola ity ny fanalahidy!! Raha misy mitady haka, tsy miambakavaka. Dia ho avy aloha ny daka. Fa ity tsy fiainan-tsaka! Raha misy mitantara. lazainy fa soara! amin'n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/izaho-malahelo
Izaho malahelo
Ramiadanarivo fetraniaina
-Izaho malahelo Avia ampitonio R'ilay mpamelovelo Avia ahitsio -Izato ranomasoko Avia mba fafao Fa izay hany mba narosoko No hatolotro anao -Izaho manirery Avia ianao ho namako Ho tanako tsy ho very Ireo izay mba fananako -Andeha ho zaraina Ireo soa izay mba azo Toy ireny manan'aina Tsy mba mety halazo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/izaho-tsy-manana-anabavy
Izaho tsy manana anabavy!
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Asa ny anareo, Raha mba ho toy ny ahy, Fa ny ahy ny anabaviko, Mikaoty lehilahy, Tsy mila kaotiana akory, Fa toa manorisory, Sy tena mahaory, Ny fiainam-panahy! Izaho tsy manana anabavy! Asa re ianao raha mba mitovy amiko, Fa ny ahy ny toe-tsaiko dia sahala @izao: Ny toetra tsy mendrika e!Dia tsy mba laniko,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/zany-refa-tia-eny-anky
Izany rehefa tia
Tahina Fabien
Eny anky ry sombiniako Holeferiko ny safidinao, Na dia ratra-po amoizako ny aiko Dia ho zakaiko tsotr'izao. Tadidio anefa fa malama maina ane ny tany, Ilay endrikao falifaly anio,mety isolo tomany; Ny lanitra andrahona,hiloko maitimanty, Isopatra tsy lera,hakivy ity sombiniako. Iriko tsy hisy anie izany rehetra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/teo-nafoiny-ianao-ilay-ti
TEO Nafoiny ianao ilay ti
Telomahery
TEO Nafoiny ianao ilay tiany tsy mendrika ho vadiany, Tsaroiko ianao fahiny ilay mpankafy vahiny mahay miala tsiny raha sendra tazako iny, Ka angamba nifaliany ny avonavoko iny,indrindra amin_bahiny fa tsy misy afa tsy iny, no tato tamin ny iny indrindra ny androtriny Fa mety tamin iny no betsaka vahiny m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/and/soloy
Soloy
and
Nahoana no toloko no nofihininao ! Soloy ny fiainanao…, ovao ho vaovao Ny lasanao rehetra, na vasoka sy ratsy Ovao ho vaovao dia hirindra atsy ho atsy. Toa olon-dia hatrany no nanjono ny fonao Solifatra ianao ka folaka sy kola, dia hanaiky ho resy ve? Ny ratsy fara-fidy, mangeroka, mangidy Nanaiky ianao…! tsy s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/rakalakely
Rakalakely
Ramiadanarivo fetraniaina
Ery am-baravarakely No ijeren-drakalakely Iry masoandro izay hilentika Io ny tenany tsy mihetsika Fa mitazatazana eo Miandry izay mba ho anjara Izay mpamitaka hatreo Izy hitsinjo ny any afara Eo am-baravarakely re No iandrasany ny anjarany Miandry izay mba hanome Mba hampiova ny tantarany Fa misy mandratra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ireo-lasa-ratsiko
IREO LASA RATSIKO
RFE Andria
IREO LASA RATSIKO Itodihako lamosina ireo rehetra lasa ratsiko Tsy hiherehako intsony, eny, mandra-pahafatiko Hohadinoiko, hofoanako ireo lasa bobongolo Hataoko ho toy ny tsy nisy na ny avelony nandolo Hodorako anaty memy ireo tsiaro tsy mba tiako Hatramin’ny avelony aza dia havalako, hariako Ho entin-dranobe hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/diso-fanantenana-aho
Diso fanantenana aho
Nalison Randrianaivo
Diso fanantenana aho sa izaho ve no tsy mahay mitia sa ilay olona mihintsy no tsy efa tia Diso fanantenana aho ianao ilay mba najaina nefa tsy hanaja akory izaho angambany tsy halaina rehefa handeha atory Diso fanantenana aho ireo teny mamy sy voady natao tavela aho nangina irery nilaozanao Diso fanantenana a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/-ankahalao-faza-tiavina
Ankahalao
Ramiadanarivo fetraniaina
Ankahalao f'aza tiavina Ratrao ny fony aza tambazina Korontany aza alamina Ozony foana tsy ho manina Tampeno sofina tsy haheno Bangao ny ahy tsy ho feno Izay mba ahy dia sompary Atao izay mba hamparary Lero ny antsy hivoaka lio Ny mangidy entiko ampio Fingano foana re ho lavo Ho ao anaty tany mavo Higoka iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/mamisoa
Mamisoa
Ramiadanarivo fetraniaina
-Tena tiko ndry fitia tena matotra O ry olon-tiako tsy afaka ao an-tsaina Iriako foana hatrany isika hifamatotra Hitambatra ho iray hampateza ny aina -Ny bikanao mamiratra nambabo izany foko Ny tsikinao malefaka mibitsika fitia Vao nahita anao dia foana ny toloko Iriako re antsika ho mandrakizay doria -Tsy fiti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/xray/soratra
Soratra
Xray
Soratra Entiko manohitra Ny tsy rariny Ny alahelo sy ny tariny Soratra Ataoko ohatra Akako maminy Anaovako ny sariny Soratra Ataoko tohatra Hiakarako any an-danitra Soratra Soratro Sarotra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/mbola-tia
MBOLA TIA
harylovah
MBOLA TIA Asa raha tsaroanao, lala, irony mamy niainantsika Fony mbola nibaliaka ilay volam-pahatsorana Nizaràna teny mamy tamin'ny tarany baliaka Nankafizintsika koa ny fijojon'izay orana Saingy asa, hoy aho, Malala, fa nivadika ny tarany Mikitroka filoko loatra ny tontolo sisa misy Miombon-droa tsy misy fo no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy-kalo/harena-ny-fitia
harena ny fitia
fy kalo
Fa harena ny fitia Harena tena sarobidy Harena tsy voavidy Tsy terena fa afaka misafidy Ny olona rehetra manana azy avokoa Tsy natao hanimba fa mba hanasoa Ary natao hasambatra ihany koa Ilay fitiavana vokatrin'ny fo Mahavidy fihavanana Eny mampifandray ny tanana Fa tsy mifidy firazanana Ilay fitia tsy mba h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/taratasim-pitiavana.-mial
Taratasim-pitiavana. Mial
Telomahery
Taratasim-pitiavana. Mialohan ny hamakianao ny taratasiko dia fantaro fa efa lasa aho.Nandeha ny volana, nitohy fiarahantsika:tsapako fa tena tia ahy ianao izaho koa efa nanokana ny amiko ho anao.Nosoloiko varavaram-bato anefa ny varavaranay io hariva io.Simba mantsy ilay hazo nataon i Dada fahiny dia ilay karazan-kaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/manodiava
manodiava
Telomahery
MANODIAVA. Manodiava manodiava!!! Ireo maraina vao hisava. Ireo rehetra vitanao!!!! Ny efa lasa hatramin izao!!! Lozanao mpietraketraka, ny tantara anie mipetraka. Todiho anie ny lasa, mbola am-poko tsy voasasa. Manodiava anao ny vita hita maso tsy fahita. Izany famadihana ny marina!! olo-dratsy mpampivarin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/ventsom-pitiavana
VENTSOM-PITIAVANA
Tahina Fabien
Noraisiko ny peniko, Dia nisaina izay soratana; Ny hoavitsika no fenitro, Takariva amorom-patana. Zany ka hoe fiainana, Eo atratran'olotina, Donak'afo ny afanana, Kalokalo sy hirahira; Tambitamby sy teny mamy, No imbetika miverina; Ireo fitiavatsika rehetra, Dia nambara tsy nafenina, Hoe ianao no tena tiko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry/faniriako
Faniriako
Thierry
tsy mpahay asasoratra aho na mpanan taleta, Fa mba maniry ny te ho poeta Ka ny nofinofy no indro asetra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/izaho-koa-mba-te
IZAHO 'KOA MBA TE...
Tsanta MIKANTO
IZAHO ‘KOA MBA TE… Izaho mba te ho ianao, Ry : Rivotra mitsoka, Mpanafosafo lalandava, Ny : Lemaka sy havoanan’ Ny tany feno voary ! Fa : Tiako indrindra mantsy, Sady mamiko aok’izany Ny : Hifampikasokasoka amin’ Ny renirano eo aminy, Ilay… Manara-demaka iny , Lafatra tokoa ! Te ho ianao ‘koa aho Ry :...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-fitiavako
Ny fitiavako
Ramiadanarivo fetraniaina
-Ny fitiavako naniry Indro ity tonga hamoha Ahatsapana hirifiry Manda ny hiala ao an-doha -Ny mitia ve mampahory? Sa ahazoana fahasambarana ? Ny alina aho tsy mba matory Te hihaino fananarana -Fa ny toky izay nomena Hoe hitia mandrakizay Izay am-po tsy mba terena Hisy foana rahatrizay -Ny fitia no mahavoky ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/azoko-mora
Azoko mora
Ra'Ony
Nomeko ny toky Nampiako famatsiana toy ny boky Dia indro ianao falifaly Toa milaza hoe afa-jaly Ka mamoaka mora foana 'zay tiako, amin'ny fotoana Kanefa izaho manao 'zao sy 'zao Dia ny hividianako anao Raha vao mitady hitroatra Mitady ampamoaka, Dia mody lasa aho mitsoaka Ka manome indray fanampiana tsara vo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/i-madagasikara
I madagasikara
Ramiadanarivo fetraniaina
-I Madagasikara,tanindrazanay Tao aho no nianatra,tao aho no nahay Tsy foiko ho an'iza fa tao no lehibe Taizan-dRay sy Reny,soa izany re -Masina tokoa,ianao ry tanindrazako Ianao no nanovozako,ny soa izay ananako Tany sarobidy ianao ry niaviako Ny fivoarana,no hany mba iriako -Rako-java-tsoa ianao ry gasikara ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/hafoiko
Hafoiko
Ramiadanarivo fetraniaina
-Hafoiko ilay fitia,naniry hatrizay Kanefa toa tsaroana,ny hanadino izany tsy hay Ka tsy maintsy anefa ho adino ilay notiavina Fitia manalasala,mampahory mahatsiravina -Na tiana aza izy,ho adino ireny tsikiny Satria aho mba te hanantona no ity nahifiny Endrey toa sasa-poana,ny mitia hatrany Indro izaho migoka,n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/mba-ampio
Mba ampio
Ramiadanarivo fetraniaina
-Mba ampio aho ray olona hibata ny mavesatra Manda ny hialofako ny zoron-trano efatra Nazeram-piainana aho,tsy misy mba hanarina Zovy re no hanampy,mba tiako ho fantarina -Izaho mahantra ity,tsy tia harena akory Fa dia tomany lava,ory tena ory Ilay nisahiranako,iraho hankaty Tsy tiany va ny anilako,f'izaho manka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenosoa-eli/tena-namako-ianao
TENA NAMAKO IANAO
Fenosoa eli
Enao le namako iny zay mbl ts andin ka nizara hafalina. nanampy raha misy hakiviana rah misy alahelo. Fa teo foana ts nienana Raha enao d ts ho andin Fa tena namako ts ariana Fa ho rehahare an aoriana Mivavak ho anao ry namako,mb ho tody somatsara Amizay tajona irina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/sopatra
Sopatra
Ra'Ony
Satriko aza iny alina iny, tsy hivadika ho maraina 'zay nanofisako, namihina anao tan-tratrako ry aina Nanamparako ny fitiavako, ka norohako tsy misy fetra Kanefa 'lay maraina no nisopatra ka voafetra... Zarako aza iny alina iny, ho mandava-taona Ka tsy hisaraka aminao ny foko, fa ho eo anilanao foana Eny! Amin'n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/naloanny-fasana
Naloan'ny fasana
Jean NARIVONY
Dia nody ny tafika fa avy nandresy, nirava ny toby Ka heno manako ny antsa misesy narahina hoby 'Reo foloalindahy nomban-janahary nirehi-pamindra Tsy resy tan'ady sy tsara mpirary ka mirana indrindra Somebika faly ny tao an-tanàna nifampiarahaba Hatraiza hatraiza dia nisy korana nomban-tabataba Kanefa indrisy !!t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/voasoratra
VOASORATRA
KIRIAH
Voasoratra ho izy: 'lay hanova ny fizotran' ireo rahona misosa eny ambony lanitrao... Voasoratra ho izy: lay hamafa ireo kinasa tany anaty taona lasa sy hanafohy ny andronao... Voasoratra ho izy : lay karohin' ny fonao eny an' enton ' ny seranana fiantsonan' ireo sambo... Voasoratra ho izy : ilay injato hotad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/satry-re-ho-tsapanao
Satry re ho tsapanao
Ramiadanarivo fetraniaina
-Maro no sitrakin'ny fo Sy ny nofy tiako ho to Mamelovelo sesi-lany Ireo lavitra tomany .........Fo misento sendra tony "Satry ho tsapanao" -Vorona sendra nandalo Tsy sanatria ho fahavalo No injay nampahatsiahy Fa mila anao ny fanahy "Satry re ho tsapanao" -Tsy fahafoizana ny Reny Ny anatra sy laha-teny "S...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/and/ny-antsika
ny antsika
and
Ny lalan-tsika roa ‘Zay efa nisampànana Izaho niantsinanana Tsy ampoizina intsony izany hifankahita Raha tsy hoe angaha… kisendrasendra sisa Rehefa iny ianao manofahofa tanana Miantso indray ny anarako… tsinjoko eny ampita Mbola mampitsiriritra... Ahatsiaro ianao, ny ora mamy indrindra ny fiarahan-tsika Hisent...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-fiainako
Ny fiainako
Ramiadanarivo fetraniaina
-Ilay fiainako nateza Indro maizina sy lo Fa ny lalako mideza Ny iriako tsy mba to -Fahatsiarovana mitoetra Mitamberina ao an-tsaina Izy ity tsy misy fetra Mampitony ny taraina -Rava vetivety,ny trano izay naoriko Ireo ezaka nataoko,indreo fa very maina Indreo tonga hiverina,ny ratsy noesoriko Mampijaly ny a...