url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rh-mayam/iny-diam-peniko-iny | INY DIAM-PENIKO INY! | RH Mayam | Iny diam-peniko iny...
Mba araho maso kely
fa mbola zazakely
mianatra miteny...
Mbola fanahin-jaza!
ka aza atao mahagaga
raha miteniteny foana
na mivolan-tsy tsaroana!
Iny diam-peniko iny...
Aza dia melohinao fa...
Zanako iny mantsy!
Mbola mila nonon-dreny mba hoentiny ho vatsy;
Koa ahitsio fa adala!
Aza o... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/raki-tsarobidy | Raki-tsarobidy | Ra'Ony | Rindrina sisa tavela, marika fisiana
Any rakitry ny ela, miandry ny fodiana.
Tsy hita hoe zavatra, fa toa korotam-bato
Rehefa niasa fatratra, voky taona aman-jato...
Kanefa tsy ho sahinao hafohy fa vala nianarana
Raha atao tampody fohy dia tsiaro reo anarana...
Anarana nandrara... Nametraka ny fefy
Anarana niant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aiko/tsiahy-sisa-no-hatsiarova | Tsiahy sisa no hatsiarova | Aiko | Tsiahy sisa no hatsiarovako anao
Embona sisa no hitambarako aminao
Akaiky ianao fa lavitrin'ny foko
Rava ny faniriko foana ny finoako
Nefa kosa natahotra sao ho very dia
Any ianao ry tiana angamba efa nety nanadino
Raha diso eritreritro tongava hamarino
Fa tsy zaka ity mangidy tsakon'ny ao am-po
Mavesatra ity z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ilay-omby-sada-mena | Ilay omby sada mena | Ramiadanarivo fetraniaina | -Io mihinam-bilona,ilay omby sada mena
Hampidiriko ao am-bala izy rehefa voky
Ny fitiavany ahy mitombo,tsy mba mihena
Ho karakaraiko,satria dia natoky
-Tsy toy ny rehetra fa miaraka amin'ny maro
Tokana mba taizako,eny tsy hariana
Miavaka tokoa,tsy foiko hafangaro
Soa re ny fiainany,feno hamamiana
-Indro fa mipe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenosoa-eli/satry-foana | SATRY FOANA | Fenosoa eli | Satry foana ho tadid
'lay fiakaran-tsarobidy
Nahenoako angolam-peo
Malefadefa-pitoreo
Satry foana ahatsiahy
'lay ianao namihina ahy
Hiara-hiakatra ny bongo
Tsy andry ery ny ho tonga..!
Satry foana, satry foana
Tsy ho tapitra taona,
Hifampitafa eny isika
Samy mba ho tafita ...
Satry foana ho eny ihany
Hifam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-fahasalamako | Ny fahasalamako | Ramiadanarivo fetraniaina | -Marary aho tsy mba salama
Izay mba diavina he malama
Marary foana ny an-doha
Tsy mba toy ny teo aloha
-Moa mba misy antenaina?
Miasa mantsy izany saina !
Fa ny aretina mikiky ny aina
Manome ratsy ho zogaina
-He ny vatana farofy
Izaho angamba manonofy
Fa izay fahasitranana
Dia tsy ho tonga am-pelatanana
-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/raiso-ny-fifonako | Raiso ny fifonako | Ramiadanarivo fetraniaina | -Mifona re ry neny,ity zanakao adala
Toa hita hendry,nefa manalasala
Misento foana hatrany,ity ianao ry Neny
Kanefa tia zanaka,tsy sasatra miteny
-Moa hatraiza re izato hadalany ?
Mampisento fo,mampirotsaka tomany
Endrey tiana tokoa,rehefa taizan-dReny !
Voabedy foana hatrany,fitiavana ireny
-Nampahereziny aho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/taminizay-andro-izay | Tamin'izay andro izay... | Ra'Ony | Tamin'izay andro izay, asa raha tadidinao,
Nisy fo iray nifaly noho 'lay tsiky taminao
Tamin'izay andro izay, nisy tena hasambarana
Fa tantara vao manomboka, nantenaina tsy hifarana...
Tamin'izay andro izay, inoako koa fa tsaroanao
Nisy tanana nitsotra, nangataka ho namanao
Tamin'izay andro izay, nanekenao ny fit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-alaheloko | Ny alaheloko | Ramiadanarivo fetraniaina | -Indro ity misento ilay foko izay mba faly
Nantenaiko hahasambatra, ity no mampijaly
Maha te hamoy fo,fa mafy loatra re !
Ilay andrin'ity foko,tsaroako foana anie !
-Nahoana re ny nofiko no tsy mba mety ho to
Ny tahiry mba nananako,jereo ange fa lo
Aiza re izao,ilay sombin-kafaliana ?
Fa ny ho anilany no hany mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/tsy-sahy | Tsy Sahy | Rafa | Tsy Sahy
Nahatsapa aho taty aoriana fa kay izy ihany
izy ihany no mba tiako hiaraka hihanihany
Hifampizarako ireo tomany sy alahelo
Sy mba hihaino ny foko mitoreo
Te hiantso azy aho fa tsy sahy
Matahotra aho sao ho laviny ka angahiahy
Ny hany ataoko dia mandefa someso
Fampatsiahivana azy fa izaho mbola eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/firaisan-kina-fifanampiana-fifanajana-fivoarana | Firaisan-kina-Fifanampiana-Fifanajana-Fivoarana | Ramiadanarivo fetraniaina | -Andeha hiray fo,sy saina amam-panahy
Andeha hiray hina,hiombona ry lahy
Aoka isika ho iray,iray tonga mahery
F'izay ho azontsika,voatahiry tsy ho very
-Andeha isika hifanampy,hanorina sy hanangana
Aza mifidy tava,ampio re ny namana
Ampio mba ho tafita,ny osa sy malemy
Satria iray isika namana ireny
-Andeha isi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hery-sitraka-rasambanjohary/rava | RAVA | j | Nangina irery izany foko
fon'ny laozanao ny toloko
nanganoano irery
natsiaro tena very
satria ny foko mbola tia
tena mbola nankafia
naita ny mamy angamba ianao
dia izao navelanao
izay angamba no anjara
ka ireo vita ho tantara
izao no tena nanakim-pobe lotra
ka nanjary tsy afaka nitraotra
tena mbola tianao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-maraina | Ny maraina | Ramiadanarivo fetraniaina | -Inty fa tamy ny maraina
Hitsika izay ao an-tany
Ravoravo re ny saina
Ravoravo tsy tomany
-Irony felam-boninkazo
Kanto aok'izany
Aoka re tsy halazo
Fa haniry foana hatrany
-Ireo vorona manidina
Mihira ho an'ny fo
Toa tahiry iray mipirina
Mitoetra ao tsy lo
-koa sambatra ny fanahy
Mamiratra ity maraina
Koa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hery-sitraka-rasambanjohary/tsisy-nanampo | tsisy nanampo | j | Ilay rano-masonao ny latsaka
tsy ho adinoko nahovina
niteite ny patrapatraka
fon'ny tojo fijalina
Samy tsisy te isaraka
Anefa tsy maintsy hifandao
Samy tena mbola latsapaka
Na izao na ianao
Tsisy adisoko
Fan'ny fiainana no nanery
Ireny lasa tsy ho soloko
Fa mifono misitery
Ka manomboka anio
Dia izao no tad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/saona | SAONA | joseclaudio | SAONA
Mbola manitra lisy ny akany nialana,
Ka manara-pofona.
Fa ny tanàna nilaozany no tonga mangina,
Sy lasa misaona.
Nidify tanaty minitra monja
Ny endrika kanto ka very firavaka.
Fa ny fo mpitadidy no lasa mitraina
K'aleo mivavaka...
Mbola manitra alahelo ny fo manirery,
Ka tsy maintsy mitomany.
Kanefa, n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hery-sitraka-rasambanjohary/namitaka | NAMITAKA | j | Masoandro vaovao
Anio no andraindraiko
Fon'ny tsy teo anilanao
Dia nampionona ny saiko
Lasa ianao nandao
Fa efa rava ny amitsika
Izao hitady solonao
Fa matsiaro mangatsika
Angamba toky fitaka
Atrizay aky ny vita
Nande ianao nisitaka
ka nanjavona tsy ita
Maita ny solo
Ka mifankatiava tsara
Ataovy tsara kol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/hiarina-aho | HIARINA AHO | RFE Andria | HIARINA AHO
Na lavo im-pito aza aho dia hiarina
Ka hanaiky ihany ny mba ho anarina
Hiarovana ahy ny mba tsy hivarina
Hizotra hatrany amin’ny làla-marina
Hiarina aho an-tany nahalavoana
Sy mba hiezaka amin’ny fijoroana
Ka na hifofo ireo mampitsirara
Hiarina hatrany aho, hijoro tsara
Raha azo atao, tohano lehire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/nenina | Nenina | Rafa | NENINA
Tamin’ny fotoan’androny ianao tsy te ahalala
Ankehitriny indray ianao te hiantso hoe malala
F’angaha izy ty atao kilalao
No dia tsy mahay miaina ery tahak’izao
Eny tsapako tokoa hoe nanenina ianao
Tsy nandinika lalina fa tonga dia ndao!
Aiza anefa izao no hiafarany
Tsy hiatsampy aty amiko ihany?
Za tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/fanadinoana | Fanadinoana | Ramiadanarivo fetraniaina | "Fanadinoana"
Ny hanadino anao rahavako
No tiko hiloaka avy ao am-bavako
Ho adinoiko tsy ho tsaroana
Hifanadino tsy ankifona
Milaza fa tsy tia intsony
Aleo hatreo dia samy tony
Ianao lay hany nantenaina
No nampisavovona ny saina
Aleo hijanona hatreo
Tsy tia intsony aho tena leo
Aleoko hitady any an-kafa
Ao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/tsy-tia-intsony | Tsy tia intsony | Ramiadanarivo fetraniaina | -Ra ze sipa otranao tsy hananako alahelo
Rehafa avy aho ny orana vao ilaina ny elo
Sasatra aho nitia anao nandritra ny ela
Tiako mba hafoy izay fitiavanao tavela
-Ny marina anie izany d'izaho ratsy safidy
Fa ny andolandolanao no hany mba nandidy
Ny fitiavako anao dia diso fiantefa
Iriako mba haverina ny tokiko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/voalohany-maneso | VOALOHANY MANESO | RFE Andria | VOALOHANY MANESO
Laharana voalohany hono ianao ry taniko
Ka nahoana no nigogo izany tomaniko
Ny foko oriory, novesaran’alahelo
Ny an-dohako avy no nijojo sy nanelo?
Hay moa ka voalohany avy amin’ny farany
Voalohany maneso raha jerena ny anarany
Voalohany tsy azo iravahana toa haingo
Satria ny tena dikany: ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/ny-miaina | NY MIAINA | joseclaudio | NY MIAINA
Ifalio
Itsikio
Izay vitanao omaly.
Hadinoy,
Vonoy
Izay ratra nankarary.
Fa saino
Iaino
Ny hoavinao.
Hamiratra aok'izany
Atsaharo ny tomany
Satria izany no miaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hery-sitraka-rasambanjohary/fisarahana | FISARAHANA | j | Tenaleo ao ankehitriny
Fa aza homenao tsiny
Ka tehirizo tsara ity taratasy
Fa tsimaintsy hifandao tsika roa atsihoatsy
Tsy zakako intsony ilay toetranao
Ka ny tsaratsara-kokoa ve tsy aleo mifandao
Haretina no hoazo raha izao no mitoy
Ka manomboka izao dia ianao no hafoy
Niezaka niafy aho atrizay
Ny metimety di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/hiainga-koa-ny-aingako | HIAINGA KOA NY AINGAKO | joseclaudio | HIAINGA KOA NY AINGAKO
Miatomboka ity ny fahanginan'ny tany.
Natelin'ny rahona ilay mpanazava.
Ka tonga ilay fitsaharan'ny vatako lany,
Sy drodroka ny andro tsy nety nisava.
Rendrika ao anaty fahanginana .
Ity izy mitady fitoniana soa.
Kanefa nofy no naterak'ilay hasasarana.
Nofy... nofy ankamantatra,hiainga ko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/mistery | MISTERY | joseclaudio | MISTERY
Misy any aminao...
Fo mahay mitia fa tsy itiavanao azy.
Misy saina mahay mandinika, fa tsy mitsidika any akory.
Misy toetranao malefaka,
Fa tsy mba mandefitra aminy.
Misy hatsaram-panahy,
Fa tsy mba mitsetra azy mihintsy.
Misy... misy any aminao...
Angolangolan-teny,
Fa tsy mba malefaka aminy.
Ny mis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fo-tanihay | FO TANIHAY | RFE Andria | FO TANIHAY
Toa tanihay izay mangentana sy maina
Dnihin’ny hainandro ka zary karankaina
Nony alina indray antaramaty mamanala
Ny zaridainan’ny foko lavi-tiana sy malala
Ngolingolin’ny hatsiaka tsy mampahita tory
Ana, toa mila rano, tsy mety afa-tsorisory
Ranon’aina avy aminao, ilay voizin’ny fitia
Mitaraina izao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/nitia-aho | Nitia aho | Ramiadanarivo fetraniaina | Nitia aho dia nolavina
Nanome tsy nankatoavina
Nizara tsy nonerana
Diso tsy andeferana
Nitia aho tsy nekena
Toy ireny noterena
Nahafoy tsy novaliana
Tsy notoloran-kafaliana
Nanantona natositosika
Indro tena rotidrotika
Nanambitamby nitezerana
Tsy navela hanan-toerana
Te handroso nosakanana
Tsy ho sendra ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hery-sitraka-rasambanjohary/nandao | NANDAO | j | Dia ionona ny fo
Fa lasa ny olontiana
Ilay nanakinanao ny fo
No nampitondra fijaliana
Dia izao samirery
No navelanao atia
Matsiaro hoe tena very
Satria ny foko mbola tia
Izao tsy iantso tody
Fa safidinao nandao
Manantena ao mbola hody
Ka ilay fitia ho raisinao
Tsofiko rano iany
Mba ho tojo izay hirina
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/fisaorana | Fisaorana | Rafa | Fisaorana
Misaotra Dada a!, Misaotra Neny a!
Fa nandaitra tokoa ny hanatra nomena
Lehibe aho ankehitriny sady vita fianarana
Ary nandrombaka foana ny voaloha laharana
Tsaroako hatrany ireo teny mamy
Izay tsara sady tsy nampitomany
Tao koa anefa ny kapoka nangidy
Inoako fa tsy tao anatin' ny safidy
Tonga taona ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/mpinamana-havana-raha-misy-patsa | Mpinamana | Rafa | Mpinamana (havana raha misy patsa)
Tantara kely izay ho zaraiko aminareo
Mino aho fa maro no efa sendran'ireo
Ka indro ny ahy no amposako eto
Fa mampalahelo sy mahavaky sento
Olona roa lazaina hoe mpinamana ho soa
Tsy miresaka raha tsy izay ho tombon-tsoa
Ny iray miezaka manatsara ny finamanana
Ny andaniny kosa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mahantra-ianao-ry-fireneko-8232 | MAHANTRA IANAO RY FIRENEKO | RFE Andria | MAHANTRA IANAO RY FIRENEKO
(nisy nandoro ny Rovan’Ambohidratrimo)
Indrisy ho’aho ry Fireneko !
Manan-karena ianao, ekeko
Ny harena ambanin’ny tany
Ny any an-dranomasina any
Zavamaniry sarobidy
Toerana izay be mpifidy
Biby ts’isy afa-tsy eto
Zava-manitra manento
Sy ny sisa, sy ny sisa
Izay tsy ary ho voatanis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ny-foko-ve-no- | NY FOKO VE NO ... | Rabetokotany Latiana (Petakasoa) | NY FOKO VE NO….
Ny foko ve no adala
Mitia olo-mandalo
Sa izaho no ninia tsy hahalala
Fa satry hanana olo-malala
Ny foko ve no leo manirery
Miantsampy amin’ny olo-mandalo
Sa izaho no ninia tsy hijery
F’io fitia io hamela fery
Sa ny foko kosa manantena
Fa ho anjarany ity olo-mandalo
Ka itsy farany no hanao fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/anialahy-ny-anialahy | An'ialahy ny an'ialahy | Ari Ira | An'i dadan'ialahy sa an'i nenin'ialahy?
Rarahian'ialahy inona?
Moa ialahy tsy efa vazaha?
Angaha misy dikany amin'ialahy izay harem-bakokay?
Handoro azy aza ataon'ialahy,
mba ho potika sy ho may
Dia mihevitra ve ialahy fa ho afa-maina amin'izao?
Angaha adinon'ialahy fa misy tody izay atao?
Ny habibian'ialahy na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/zazavavinny-alina | Zazavavin'ny alina | RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison | Indro ny zazavavin'ny alina
Hiroboka anatin'ny fahotana lalina...
'Ndeha hiasa izy iny...
Ny fianjaikany lahy toa maha-ory,
Izato hanifiny...Toa mahangoly...
Fa manintom-bahiny!
Dia manao jejojejo mba hisy hahita
Fihetsika folo...kinanjo vao vita
dia indro tokoa...
Ingahy Ndriana ,tompon'ny harena
Nahatsipalo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ireo-sangisangy-tsika-roa | Isika roa | Nalison Randrianaivo | Isika roa
ireo hanihany
toa mamy hatrany
ilay isika roa
nisangy nihomehy
nafinaritra tokoa
ny nahita antsika re
toa tsy hay hadinoina
tsy maty ho vonoina
ireo izay efa vita
tsy hodiana tsy hita
fa mitoetra lalan-dava
izay tsy mety ho rava
isika roa mantsy
dia niombona fitia
iaradia mandramaty
aina no fe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/ilay-tiako | Ilay tiako | Rafa | Sendra nandalo tato an-tsaiko
Ilay fitsikinao nambabo ahy
Izay tena niriako sy tsy nankahalaiko
Satria nampiravoravo ahy
Any lavitra any ianao ry Tiana
Maneho ny hamamiana
Ilay fitiavantsika tsy ho lo
Na dia eo aza ny hamafisan-doha
Eny ho aho ry tiako sy mamiko
Mitempo anao hatrany raha ny amiko
Ny halaviran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/tsy-ianao-irery | TSY IANAO IRERY | Tsanta MIKANTO | TSY IANAO IRERY,
Tsy ianao irery ry kinta-mampifila,
No azoko andrandraina hanome hazavana
Ka na hiteny aza ianao hoe : « Ny tenako tsy mila »
Dia mbola ao ny masoandro hanome hafanana !
Aza be rehareha fa tsy ianao irery tsy akory
No afaka hanjaka eo anivon’ny lanitra
Na dia natosikao aza ny foko oriory,
Mbol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/moa-vanon-ko-ho-inona- | Moa vanon-ko ho inona ? | Ramiadanarivo fetraniaina | Moa vanon-ko ho inona?
Moa vanon-ko ho inona, ny lasa iroy nantenaina?
Ny tsiaro azy sesi-lany,mitamberina ao an-tsaina
Mamelombelon'aina toa rivotra niserana
Eh!!!......iny efa dify ilay hany nianteherana
Eny an-tendrombohitra eny, no anaovako fitazana
Mahita irony manan'aina,sy ny ala maitso mavana
Ao anatin'i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/iiii | ii+!=ii! | hjravs | ii+!=ii!
Fa nahoana moa,
no tsy hanan-jo
ny hifankatia
isika sy indry,
F'angaha 'zaho raha nivoady
ny hanambady
dia isika ho fady
tsy hifampitady?!
Ianao, mantsy, tiako
tena tiako tokoa
fa ilay novadiako
tsy foiko ihany koa
Ka ny azy jifaiko
ny an-dry koa vidiako
Ny an'azy vitaiko
ny an-dry iadidiako
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/any-ho-any | Any ho any | Ramiadanarivo fetraniaina | Any ho any misy
Fo iray tomany
Irery mitampify
Leo ny miaina an-tany
Fitia mifamaly
No mba nantenainy
Kanefa re nijaly
Izay no mba lazainy
Mitomany lava
Maloka ny endriny
Toa ireny tsy hisava
Ranomaso re no setriny
Toa tsy laitra ampanginina
Sy tsy mba hay alamina
Ity fo iray ambinina
Satria re dia mani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-fiainana | Ny fiainana | Nalison Randrianaivo | Ny fiainana
ny fiainana anie
ka tsy ilaozam-pahoriana
ka izao mivavaha re
mba tsy ho hazo fijaliana
ho anao ity tontolo ity
fa mba hahay hifankatia
ny fiainana anie
ka malama maina
ka sao ho solafa re
vao hitaraina
ny fiainana koa
dia tsy lany hamamiana
indrindra ireo soa
natolotr'ilay tiana
fa mamy aok'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/nosimbainao | NOSIMBAINAO | Tsanta MIKANTO | NOSIMBAINAO
Simba taminao
Ny varavaram-poko,
Dia…
Novaiko ho vaovao,
Tsara feo sy loko
Tsy ilay migidragidra
Maneno lava izao
Fa …
‘Lay tsy laitran’ny asidra
‘Lay tsara kalitao e ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/fa-nisy-naninona | Fa nisy naninona | Ramiadanarivo fetraniaina | -Fa nisy maninona,ratsy loatra angamba
Ny masoko nahiratra nilaozanao ka jamba
Manjaka ny alahelo,izao eram-po izao
Fa tampoka ho ahy ny nandehananao
-ka hatoky anao ry tiana izany fo amam-panahy
Matokia re ny hampirafy tsy ho sahy
Izay ataoko aty na dia tsy hitanao
Dia tsy misy ahiana fa tiko loatra ianao
Fa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/hatraiza | Hatraiza | Rafa | Hatraiza ny fanantenana
Amin'ity fiainana malama
Sedra mafy no mianjady
Ka lasa mampirafitra ady
Marary ny saina ny fo amam-panahy
Mihatrika ny adidy feno ahiahy
Hatraiza ny fetra hitantanana
Ahaizana mandrefy ireo fananana
Moa va tsy vetivety monja
Dia ho foana ny somonga
Raiso ny andraikitra ho fanohanana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/manaiky-aho-fa-resy | MANAIKY AHO FA RESY | Tsanta MIKANTO | MANAIKY AHO FA RESY
Tao anaty akatanao, no nanavatsava ny alina,
Ny miaramilam-poko !
Isan’andro izao,mandrava azy lalina
Ny renty sy ny lokon’
ny manontolonao,
…Resy aho izao e !
Babony… indrisy…
Ampijalio mihitsy e , !
Fa…
Maditra loatra mantsy,
Ka faizo na tsy tantin’
Ito saina adalako.
Eny… ry malalako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lavenona | LAVENONA | Fredy Jaofera | LAVENONA
May ianao, ry rova,
May ianao, ry lova !
Nilevona avokoa
ireny zava-tsoa !
Veloma, ry tantara,
tsy dia voazarazara,
lena ange ny maso
fa hita hoe ankaso.
Veloma, ry harena,
nataoko volamena ;
manetroka eto sisa
ny kila tsy hita isa.
Veloma, ry tsy foiko,
fa ontsa re ny foko ;
lavenona be daholo
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/matokia | Matokia | Nalison Randrianaivo | Matokia
ny amiko ve?
No ahiahianao?
nefa aza manahy re
fa matokia ahy ianao
fa ny ahy rehefa ianao
dia ianao tokana ihany
ary izaho tsy mba ho lao
fa tiaviko hatrany hatrany
indrindra moa fa ianao
ilay mamiko tsy foiko
satria hamin'izao
dia ianao foana no tiako
koa matokia ahy
fa izaho dia tokam-po
ary a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/tena-namana | Tena Namana | hjravs | Tena namana!
Tena faly aho androany
fa hitako ihany,
'lay namana iray,
tena mahatoky ahy,
ilay olona tsotra sy tsara fanahy,
ilay sahisahy,
miady ho an'ny rariny
sy ny saritsarin'
ny fanambakana
sy ny tsy ara-dalàna,
'lay mampitsiky ao anatin'ny sarotra,
'lay tsy maka lagy, tsy tia adi-varotra,
'lay mpamal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-ianao-8216 | tiako ianao | Nalison Randrianaivo | Tiako ianao
io teny io
izay no tadidio
ataovy ao an-tsaina
aza mora malaina
fa io teny io ihany
no hampa-zoto anao
ho tianao hatrany
hoe tiako loatra ianao
izany teny izany
dia voatanako hatrany
mbola tsy miova sanatria
ilay tiako ianao tamin'izany
indrindra ilay fitia
toa vao maika mamy hatrany
tiako ia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/saiky-nenina | SAIKY NENINA | Tsanta MIKANTO | SAIKY NENINA
Ny tsikinao tamiko dia siokan’ny marary,
Fa tsy fitiavana tsy akory,
Ka aleo ianao ho any,ho im-pito manta vary
Aleo mihitsy ho oriory !
Hay ny niantsonao ahy ,ka hamafa ny lotony
‘zay hitsaky ny sasany ?
Aleo ianao ho any,ho bory hatramin’ny fotony
Ho may hatramin’ny fakany !
Soa ny fo madioko ,f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/zo | zo......... | Ny Ami | Zo......
Takio izay mety ho anao, aiza omena ho an'ny hafa
Ny tombotsoanao manokana aiza hasolo zavatra hafa
Izay tokony ho anao hazao anaty tany,
Aza omena ho an'ny hafa fa takio hatrany hatrany.
Fa nateraka hitovy izaho sy ianao, eny na iny olona iny....
Koa takio ny zonao aiza homena ny vahiny,
Fa anjaranao i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/malagasy | Malagasy.... | Ny Ami | Gasy........
Mahantra ianao ry Gasy a!
Akohokely fatorana mahazaka
Dia io mangasihasy
Tsy afaka mitraka.
Mahantra ianao ry Gasy a!
Voalevom-belona
Mijaly ampitsanganana
raha miteny dia voatrerona
Darohana, manganana
Mijaly ianao!
Mijaly ianao ry gasy a!
Gejaina sy rahonana
Raha sahy mitari-tolona
Ka toa m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/izay | IZAY | joseclaudio | IZAY...MITIA
Ny tia fa tsy tiavina ,
No fahoriana indrindra ho an'ny fo tena tia.
Ny mitalaho fa nolavina.
No jaly ateraky ny mitia.
Ny manantena fa tsy misy,
No mijaly eritreritra isaky ny mahatsiaro.
Fa ny fo tena tia!
No tena malahelo rehefa afangaro
Zaraina ho an-kafa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/omaly-sy-androany | Omaly sy androany | Nofy2 | Omaly tahak’izao
Indreny izaho sy ianao
Mizotra soa aman-tsara
Mifampiantso hoe “malala”
Tamin’iny làlana iny
Nahazo fahasambarana
Feno fiadanana
Fa an-tratran’olon-tiana
Androany vao maraina
Indreny izaho sy ianao
Mizotra moramora
Tsy maika ny ho tonga
An’iny làlana iny
Hitsena alahelo
Handao ny fifalian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/ho-anny-gasikara | Ho an'ny Gasikara | Ny Ami | Malagasy!!!
Tsy afeniko fa Gasy aho fiteny,
Eny Gasy Ray sy Reny
Gasy hatramin'ny Razambe,
Gasy fomba sy fandeha.
Gasy tsy mba menatra,mijory tsy mba kivy
Sahy mitrerona ny enjana maneho ilay tena izy,
Tsy miafinkafin-toetra
fa miaritra ny fetra.
Gasy aho tsy hanenenako
Ka na kely hoe ny tenako
Ny soratro ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/hafatra | HAFATRA | Rabetokotany Latiana (Petakasoa) | HAFATRA
Nisy HAFATRA niantefa
Voaraiko ato ampo
Hokoloiko tsy hilefa
Ary tsy avelako ho lo
HAFATRA mahamirana
Amin’ny andro manjombona
Antoka ifikirana
Tsy ahatafa-torombina
HAFATRA mampiavosa
Ny fifaliana tsaroana
Izay atao toa misosa
Raha vao IZY no antsoina
Inona ary ilay HAFATRA ?
Raha azonao antsaina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/s-a-b-o-t-s-y-m-a-i-n-t-y | S A B O T S Y M A I N T Y. | Ny Ami | Sabotsy mainty.......
Sabotsy tolakandro ilay fotoana iarahako aminy,
izarako ireo fitia sy ireo tambitamby tena maminy
Sabotsy..........eny sabotsin'ny fitia,
ifanomezanay toky hoe hiaraka ho doria.
Sabotsy....sahiran-tsaina ery aho mamisavisa ny andro
Vao alahady moa izao,rahoviana vao atoandro?
rahapitso alat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ho-anao-ry-malala | Ho anao ry malala | Nalison Randrianaivo | Ho anao ry malala
ho anao ry malala
ity ventsom-poko ity
izay toy ny adala
raha vao iny aho mba nitia
ho anao ry malala
ity trano kely ity
tranom-boromailala
sy tranon'ny fitia
izay voatokana ho anao
sy madio sy vaovao
ho anao ry malala
ity raozy mena ity
ianao no sahaza
hotolorana fitia
izay vonona iara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/izany-no-fiainana-aty-aminay | IZANY NO FIAINANA ATY AMINAY | joseclaudio | IZANY NO FIAINANA ATY AMINAY
Havako ianao raha misy patsa...
Dia gaga izaho mandinika ny hitako.
Sy mamakafaka ny zavatra iainako.
Tsy fiaraha-monina, tsy toerana hafa.
Fa havany ianao raha misy patsa.
Ory ny foko mandinika izany.
Ketraka ny aiko mila hitomany.
Fa raha misy fahoriana tonga mandatsa...
Dia tami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/voadona | Voadona | Rafa | Voadona..
Vonjeo ry zareo fa voadoana tanteraka
Nijabaka tao anaty sedra nandreraka
Jamba ny fo ka nitampin-tsofina
Kay izy ty efa nanam-pofona
Inona no atao, aiza no aleha
Jereo zato izy fa tsy hiveri-mandeha
Ny foko feno ratra no nilaozany teto
Nangiana tanteraka ka vaki sento
Izy no taloha fa za taty aorian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/madagasikara | Madagasikara | Ny Ami | Malagasy!!!
Tsy afeniko fa Gasy aho fiteny,
Eny Gasy Ray sy Reny
Gasy hatramin'ny Razambe,
Gasy fomba sy fandeha.
Gasy tsy mba menatra,mijory tsy mba kivy
Sahy mitrerona ny enjana maneho ilay tena izy,
Tsy miafinkafin-toetra
fa miaritra ny fetra.
Gasy aho tsy hanenenako
Ka na kely hoe ny tenako
Ny soratro ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/meteza | METEZA | joseclaudio | METEZA
Meteza ianao ho Reny,
Mpiahy ireo kamboty
Tsy mba manana mpijery.
Meteza ianao ho Ray,
Mpiaro ireo zaza
Vesa-tsindry hazolena.
Metezaainao hahery,
Hiady foana foana
Ho an'ireo maty noana.
Meteza ianao hijoro,
Hiaro ireo mijaly
Iharan'herisetra.
Koa meteza ianao...
Meteza hatrany hatrany
Hanohitra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/izay-ianao-vao-resy | IZAY IANAO VAO RESY | joseclaudio | IZAY IANAO VAO RESY.
Ianao ilay tsy mba sasatra nikatsaka hatrany.
Nandany ny andro maro, hitadiavana ny lafatra.
Nikaroka, nitolona niady foana foana.
Niitsemboka ianao na mafy aza ny ady nanoloana.
Ianao ilay tsy mba kivy, na maro aza ireo sedra.
Fa niezaka namindra nitady ny soa rehetra.
Ianao ilay tsy mba ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/ny-takarivako | NY TAKARIVAKO | Tsanta MIKANTO | NY TAKARIVAKO
Takariva arahin’tsento,
Eo ambody fahatsiarovana
Dia…
Ny fofonao no re manento
Ny alokao no misalovana !
Ato anefitr’eritreritro ato
Ny tsikinao miseho tsy miato !
Dia..
Lasany any ny amboroako,
Isan’andro ianao tsaroako !
Ny hasambaran-keliko mankany
No mitondra ahy hanofy mamy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/tsy-haiko-aloha-izay-heviny | TSY HAIKO ALOHA IZAY HEVINY | joseclaudio | TSY HAIKO ALOHA IZAY HEVINY
Tiany hono izaho!
Dia hotiaviny amin'ny inona?
Gaga mantsy izaho fa,
Isak'izahay izay mifanena
Dia tsy mitsahatra izy milaza
Fa tiany hono izaho...
Tsy haiko aloha izay antony?
Nefa re ny fony efa tsy misaina,
Afa-tsy olo-tokana ihany.
Ny fiainany aza efa manakatra irony faran'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/any-ianao | Any ianao | Nalison Randrianaivo | Any ianao
any ianao ry tiako
any lavitra any
toa nanjary fahoriako
ny tsy alinao izany
any ianao ry tokako
any lavitra ahy any
ny sarinao no mba horoako
izaho manina ka mievina hatrany
any ianao ry tsy foiko
mievina foana aho aty
mahatsiaro mitoloko
mahatsiaro ilay fitia
any ianao ry malala
ilay tiako toy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/veloma | Veloma | RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison | Fa hay ve ny endri-miserana dia mahavita,
Mamoha avy hatrany ny fitiavako natory...
Ilay foko kely efa nipitrapitra...
Taitra ankehitriny,na dia efa nahantra sy ory!
Koa ambarako anao ry tiana,tiako taloha,
Ny fo izay naratra sy tena torovana,
Nitraka ankehitriny,ary tena nifoha,
Niova voron-kafa...F'ianao fahat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/indray-mi-pia | Indray mi-pia | Rafa | Fotoana vitsy monja no nifankahalalanay roa
Tao anaty minitra vitsy monja ihany koa
No nanambarany fa vita hatreo ny anay roa
Sadaikatra ny tena, fa inona ity manjo
Tsy nahateny aho fa tafi tohana loatra
Nampahery tena fa ny no nisendaotra
Inona no antony dia izay tokoa ve ny soa
No niafaran'ity tantara izay vao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/mialatsiny | Mialatsiny | Ny Ami | mialatsiny!
Firy taona aho niaiana anaty loto
Nisafotaka voatoto
Dia tonga indray ianao ilaza hanova ny tanana
Hitondra fiovana
Lazao izay tena marina f'izahay aza fahanana
F'angaha raha mahantra sy tsy manana
dia hampesonina hifidy
Indray hitondra izay mangidy !
Izaho intsony tsy hanaiky
F'efa leon'ny fahant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/mba- | Mba ... | Ari Ira | Mba hisy anie ny fahazavana,
ho aron'ny fitiavantsika.
Mba tsy ho lefin'ny hatsiaka
anaty aizim-pahotàna.
Mba ho tazana amin'izay,
ho hitan'ny havanao
mbamin'ny olom-padinao
ilay nafenina hatrizay!
F'efa tsy aritro intsony
tiako hotazana ny voany
ho tazanao koa ny hasoany,
Ny tsiron'ny fitiavana
ilay tiako ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/antso | Antso | Ari Ira | ANTSO
Hatramin'ny nahatongavako,
dobo roa no hany tazako;
nanjelanjelatra aok'izany
ny foko, taitra, nanontany!!!
Niezaka aho tsy ho liana
fa ny nahavariana,
vao mivoaka am-piondrehana
tsy misy jery tiana ierehana
ankoatra ireo dobo ireo.
Jery moana, tsisy feo
saingy nahavalalanina;
toa hiaka iray mamatonal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/toa- | Toa ... | vo.sedra | Nanaitra ahy ny resakao
Toa mandrangitra,misangy
Toa milaza hoe andao
Hifampizara tambitamby
Toa mandrehitra hetaheta
Anaty nofy tsy hay takarina
Tsotra nefa avolenta
Sady sarotra fantarina
Toa misarika ny saina
Hankafy ny tsy hita maso
Ambony tany karakaina
Ravarava'ny akaso
Mampanonofy zava-tsoa
Mbola ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/feno | Feno | Ny Ami | Feno!
Feno hono ny any anatiny
Ary ampoka fitia
Fa ireo alahelo izay tsy tantiny
Nisinda ho doria
Meva......,meva ny andrompiainany
F'ireo izay nitarainany
Efa tonga fanamperam-pahasambarana
Ampoka fiadanana
Efa indreo ny sariny nataony niariary
Navoakany an-diary
Mba hampibaribary ny porofon'ilay tiana
Han... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/aza-maty | Aza maty | Telomahery | AZA MATY
Ny aza maty ihany!
fa mandalo ny eto an_tany
fa rehefa maty ialahy
ataony tsinontsinona
Ny aza maty ihany!
fa voatototry ny tany
tsy afaka mitroatra.
na dia efa diso tafahoatra
Rehefa maty ialahy!
lazainy reraka am_panahy
tsy mba nanao ny marina
ka tsy diso raha nivarina
Fa ny fianakavian ialahy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/hay-ve | HAY VE | Rabetokotany Latiana (Petakasoa) | Hay isika,
Ilay nisara-toerana iny
Tsy nifanalavitra tsy akory
Fa samy nitahiry fitia tsy voatory
Nampiray ny fo,
Mandrak’ankehitriny.
Hay isika,
Ilay tsy nifankahita hatry ny ela
Tsy nifanalavitra tsy akory
Fa samy nikolo ilay fitia natory
Tanaty fo, mbola nanantena
Ny hihiratany indray maraina
Hay isika,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/fitia-imorona | FITIA IMORONA | Tsanta MIKANTO | FITIA IMORONA
Fitia mampanahy,..
Didon-drangolahy
Ny fitiavany anao
Aza esoina,
Hitsakitsahina,
Fosafosaina,
Ny fitiavana natolony
Fa…
Farafaharatsiny,
Ilay taratasiny,
Mba asio sasiny,
Hamalifaly volony
Fa…
Ndrao re ny molony
Hiredy ny tontolony
Anatin’ny alahelo
Ny kintana eny ambony
Sisa ,
Hampino... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/tokam-po | Tokam-po | Rafa | Izy irery dia izy irery ihany
No nameno ny foko manontolo
Fiatiavana tsy hita lany
Nakambana ho iray tsy vakivolo
N’inona hitranga n’inona hidona
Za tsy hiala satria ny fo no voadona
Ho aiza, na ho atsy na aroa
Mitovy ireo ka tsy hanam-paharoa
Tokam-po otran’ny siny
Ny maso tena tsy nivilivily
Nanjary maina i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/aleoko-ihany- | Aleoko ihany !! | vo.sedra | Latsa-tsento aho mamdinika
Ireo lasa niarahana
Tantara saiky nampivika
Nefa tsy azo tanterahina
Dia manohy an'eritreritra
Hoe mety nanao ahoana?
Raha ny foko no niantehitra!
Mety ho faly sa nisaona?
Inoako nefa fa ho ratsy
Raha nitohy ireo tandrevaka!
Tsy ela akory fa atsy ho atsy
Izaho sy ianao ivalaketraka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/anao-aho | ANAO AHO | Nat'urel | A-.Malala oh!Ianao mo tia ahy?
B-.Eny aky a!Tena tiako ianao fa aza manay
Homeko anao mandrakizay
Homeko anao tsy misy fetra
Isika roa dia ho iray
Izay no tarigetra
Iray ny fandrinatsika
Ny sotro itambarana
Ny akanton ny endrikao amam-bika
Dia mitondra fahasambarana
Tsy ny vavako no miteny
Fa ny foko no mane... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/tambitamby- | Tambitamby ...! | vo.sedra | Etsy ho fihiniko zany havako izany
Andeha iaraka igoka ny hasambarana eto an-tany
Ifampizara tambitamby ifanolotra ny mamy
Ny alahelonao esory,alaviro ny tomany
Andeha izaho sy ianao hakamamy ny fitia
Hampiombona ny ventso ka iara ankafy
Ireo tokiko hatrizay mbola averiko amindry
Izaho ho tia anao foana,ary ho m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/fahagola | Fahagola | joseclaudio | FAHAGOLA
Tany ho any...
Fahagola,
Nisy fihavanana tsy ravan-tsetrasetra.
Nisy soatoavina voahaja lalandava.
Nisy fiaraha-monina mpandala fihavanana.
Tany ho any izany...
Tany fahagola!
Fa amin'izao,
Tany vaovao:
Nanova ny fisainana hanaiky ny tsy rariny.
Namboly lalàna ho ekena mba harahina.
Nampisaraka n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajaonarimilyfelix-sonne/ilay-nofidiko | ilay nofidiko | RAJAONARIMILY Felix | Mafinaritra ahy ianao Amin'izato endrikao Toa manintona ny fo Ianao ilay no fidiako Aza gaga anefa ianao Amin'ny fiainana ety Fa nisy nisafidy nataoko Dia ianao ilay nofidiko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/mankaiza | Mankaiza | Telomahery | MANKAIZA
Ray aman-dreny pahana
mitarika amin ny lalantsy izy
tsy mitady fahafahana
fa mpamarina ny ankizy
Tsy androany teto vao nisy zavatra tsy tanty
na loza , aretina mandalo
fa fihantsiana valifaty
ny mitsangana ho fahavalo.
Ianao no hany nanankinana
nitokiana,nianteherana amin ny ho avy
kanefa ankehitrin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lay-fo-hafa-kely/trondro | trondro | 'Lay fo hafa kely | Ny trondro dia zavatra tena malama
fihinina mafy toan-dry madama
eto amitsika dia betsaka azy
Na rano mitoetra na rano mipasazy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/ketrika | Ketrika | Rafa | Tonga saina ireto namana
Aiza no mba ahitana ketrika
Hiorana amin’ity tsy fananana
Efa mby akaiky ireo mpandrendrika
Fiarahaha-monina mifosafosa
Manao fijery mitongilana
Ny zanakay toa zary olon’osa
Lasa saina amin’ny fahasahiranana
Rahoviana ihany hoy ny ventsom-po
Midradradra mivavaka isan’andro
Aiza no ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/nilaozanao | Nilaozanao!! | vo.sedra | Indrisy hoy aho misento
Misento samirery
Mampitamberina ny ventso
Milalao toa zaza very
Mahatsiaro irony lasa
Niaraha-nilalao
Ny hatanorana niarahana nikasa
Toa nofinofy sisa izao
Tsaroako eto ireo fotoana
Nisangiana,niadiana
'zao ny trano babangoana
Nilaozanao rahavavy tiana
Ireo fitaovanao tavela
An-dari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/lasa-any-iny | Lasa any iny | Telomahery | LASA INY
Lasa any iny
taratasy iny
hamangivangy azy
tsy misy vazivazy
hanatrika anoloany
Toa efa fantatro eto
ilay izy velon_tsento
feno fanahiana
dodona sy liana
faly maharay
ity taratasy iray
Ka raisiny eo iny
fa mbola tsy vakiany
fa jereny tsara aloha
ireo adiresy roa
andamosiny ao
k hatrao ambadiak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/mafy-orina | mafy orina | Telomahery | MAFY ORINA
Tsy misy mahaliana ny eo anilanao!
fa adiady lava izay no hitako ao
hadinonao ny toky izay nifanaovan tsika
sa?efa ela ireny dia efa niova koa ny bika
Izaho anie vonona hifankatia aminao malala
fa ny esoeso sy latsa mitady hamaky vala
raha ny faniriako rehetra no tantaraiko aminao
dia angamba izay ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/inty-aho | INTY AHO | Nat'urel | Inty aho ry malala
Hifona aho raha azo atao
Omaly aho dia nisary adala
Ka nampirafy anao
Fahadisoako ilay izy
Nitondra ratra tao anaty
Fa nitady mamy tojo ny mangidy
Ny ranomasonao tsy tanty
Mifona re ry olo-tiako
Tamin ny namelako anao hangina
Fanahiniako nidifiako
Ny fonao ry ilay niriana
Inty aho dia man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/hifankatia-izaho-sy-ianao | HIFANKATIA IZAHO SY IANAO | Nat'urel | Hifankatia izaho sy ianao
Ka izaho no ndeha hatao
Ho sasako re ny lambanao
Ho pasohako raha azo atao
Dia aza avela handeha irery
Hafatory aho sao dia very
Dia tano aho ho anao
Fa hamikitra aho raha azo atao
Dia ity ny vavako fahano
Ity ny tanako tantano
Satria ianao no mba raoziko
Ny takolakao no mba lalaovi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/tsiahy | Tsiahy | joseclaudio | TSIAHY...
Eo aloha ianao...
Dia tandremo milsandaotra.
Koa aoka mba ho tony!
Fa io an-doha fandrinako io
Ilay sarinay fahiny.
Dia itsy ihany koa
Ilay diariny fahiny,
Misy ny sora-tanany.
Ary ny dinan'ny fitia.
Noraiketiny ao mantsy
Ny taminay manontolo.
Ka na ny tsara na ny ratsy.
Voasorany ao daholo.
Ary... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fifividianana | FI(FI/VI)DIANANA | RFE Andria | FI(FI/VI)DIANANA
Ity fifidianana
sao fividianana
ka ny safidy
dia efa voavidy?
Ny kobaka am-bava
isaronan-tava
manao sesilany
tsy afaka ihany
toa mankaleo
efa hita teo
Ny asa vita
anefa tsy hita
Na izany aza
tsy atao hevi-jaza:
‘ndeha mifidy
vitao ny adidy
ialao ny mangidy
ny vato tsy amidy! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/lasa | LASA | Rafa | Tao anaty andro vitsy monja, no niantombohan’ny tantara
Izay tsy nieritreretina hoe izay tokoa ve no fiafara
Nandalo sedra maro ka nampitroatra
Nandray fanapahan-kevitra tamin’ny fo sendoatra
Tiany tokoa ve aho, nandritry ny fotoana niarahana
Sa nanadinoany ilay teo alohako zay mbola tsy nifarana
Satria tsy nanad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/mety | mety | Telomahery | Fitiavana?
Ilay tsy hay tefena
Tsy mety raha terena
Mety ho tongatonga ho azy
Na koa mety anaty vazivazy
Fitiavana,.?
Ilay tsy hainao faritana.
Mety miankina amin ny vintana.
Mety teraka androany.
Mety rehefa any aoriana any.
Mety hipololoatra avy aom po.
Mety ifanaovan olon__droa.
Mety teraka any am pianar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/lazao-azy | Lazao azy | joseclaudio | LAZAO AZY
Lazao izy fa:
Mbola misaona hoe ny fanadinoany.
Ka tsy afaka handinika ny efa vita!
Lazao azy fa tsy hisy intsony
Izany hamalona ny efa vita.
Lazao izy fa:
Mbola misaona hoe ny fanadinoany.
Ka tsy afaka hampitamberina ny niaraha-natao.
Lazao azy sady, fa efa voaovany...
Ny tompon'ny fitiavany tany a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/fisarahana | Fisarahana | Rafa | Na dia teo aza ny teny naloaka
Tandremo ny fo sao misendoatra
Avy aminao no naha tonga izany
Kanjo aiza re zao no niafarany ?
Fitia voasembana sy nidiran’olona
Tsika roa ihany anefa no nitolona
Mora amin’izy ireo no manasaraka
Kanefa moa kely saina dia tafasaraka
Taty aoriana samy tonga saina
Naninona marina n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/mba-gaga-aho | Mba gaga aho | joseclaudio | MBA GAGA AHO
Mba gaga aho ry avelo misary ho nofo.
Mba gaga aho mantsy amin'ny asanao.
Nahoana ianao no tsy sahy mijoro?
Fa miserana ihany dia lasa mandao.
Mba gaga aho ry avelo misary ho angatra.
Mga gaga hao mantsy amin'ny fisehoanao.
Maninona moa raha amin'ny andro no mipongatra?
Fa tsy ny alina no atao ho k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/lavi-tiana | LAVITRA AHY | Nat'urel | Ny alaeloko mikiky fa lavi-tiana
Ny molony mitsiky satria izy tsy ho ariana
Ka na dia tsy eto anilako aza
Dia indro fa tazako mazava
Mamirampiratra ny fon ny olotiako
Ka mandrakizay tsy ariako
Fa tazako misento izy eo antongo-pandriana
Hoe any ho any izay ilay olo-tiana
Dia manontany tena hoe rahoviana vao mba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fanomezana | FANOMEZANA | RFE Andria | FANOMEZANA
Indro alefako misosa
Eny an’onjan’ny fitiavako
Sambo iray feno miavosa
Bà mamy ho anao rahavako
Safosafo, tambitamby
Tositosy, fihimpihina
Samy mbola manana amby
Sy efa mahafeno rihana
Tosatosa-pahasambarana
Fofo-manim-pifaliana
Isan’andro tsy mifarana
No omeko anao ry tiana
Isan’andro no itodia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/omeo | OMEO | Rafa | Mba omeo re ry zoky fa tena sahirana
Aiza avy ireo nampanahirana
Etsy sy eroa naneho filibana
Ka lasa voatery ny fahantrana
Nankaiza daholo ny harena taloha
Niserana izany ka tsy nahay niarin-doha
Ankehitriny mangataka, omeo, omeo
Tsy mba nieritreritra ny fo nitoreo
Fitiavan-tena diso tafahoatra
Nanome fo ka ... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.